Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary haizina no teo ambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba teo ambonin’ny rano. Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava! Dia nisy mazava. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava ka nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. Ary nataon’Andriamanitra hoe andro ny mazava; ary ny maizina dia nataony hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro voalohany. Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izany no hampisaraka ny rano amin’ny rano! Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nanasaraka ny rano ambanin’ny habakabaka tamin’ny rano ambonin’ny habakabaka. Dia nisy izany. Ary nataon’Andriamanitra hoe lanitra ny habakabaka. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro faharoa. Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka hiangona ho eo amin’ny toerana iray ny rano izay eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hiseho ny maina! Dia nisy izany. Ary nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina; ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa eny ambonin’ny tany, izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka ao anatiny ny voany! Dia nisy izany. Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy ary hazo mamoa ka ao anatiny ny voany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo. Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina. Aoka ho famantarana ny andro firavoravoana samihafa, ny andro ary ny fizaran-taona ireo, dia aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ny tany! Dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro, ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina ary ny kintana. Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra. Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho be zavamananaina; aoka hisy vorona hanidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra! Ary Andriamanitra nahary ireo biby vaventy any anaty rano sy ireo zavamananaina mihetsiketsika rehetra, dia ireo izay betsaka ao amin’ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voromanidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Ary Andriamanitra nitahy azy ireo ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny rano ao amin’ny ranomasina; aoka ny vorona hihamaro eny ambonin’ny tany! Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy. Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny bibidia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Ary Andriamanitra niteny hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy ireo hanapaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, amin’ny voromanidina sy ny biby fiompy, amin’ny tany rehetra ary amin’ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy. Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany. Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny. Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany. Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina. Dia vita ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy. Tamin’ny andro fahafito no vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra izay nataony Izy tamin’ny andro fahafito. Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izay no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy. Toy izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny nahariana azy, dia tamin’ny andro nanaovan’NY TOMPO Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: Ny hazo madinika maniry eny an-tsaha dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ny zava-maitso eny an-tsaha koa dia tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana teto ambonin’ny tany NY TOMPO Andriamanitra sady tsy mbola nisy olona hiasa ny tany. Nefa nisy loharano niakatra avy tao amin’ny tany ka nandena ny velaran’ny tany manontolo. Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny olona, dia nitsofany ny fofonaina mahavelona tamin’ny vavorony ka tonga manana aina ilay olona. Ary NY TOMPO Andriamanitra namboly saha tao Edena tany atsinanana ka napetrany tao Ralehilahy izay novolavolainy. Ary nampanirin’NY TOMPO Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay mahafinaritra ny maso sady maha te hihinana, ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Dia nisy ony nivoaka avy tao Edena hanondraka ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra. Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha mihodidina ny tany Havila manontolo, izay misy volamena; ary tsara ny volamena tamin’izany tany izany. Any koa ny bedola sy ny vato berila. Ny anaran’ny ony faharoa dia Gihona; io no mandeha mihodidina ny tany Kosy manontolo. Ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mankany atsinanan’i Asiria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. Ary NY TOMPO Andriamanitra naka an-dRalehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy. Ary NY TOMPO Andriamanitra nandidy an-dRalehilahy hoe: Ny hazo rehetra ao amin’ny saha dia tena azonao ihinanana tsara; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy kosa dia aza ihinananao, fa amin’ny andro izay ihinananao avy aminy dia ho faty tokoa ianao. Ary NY TOMPO Andriamanitra niteny hoe: Tsy tsara raha irery Ralehilahy; hanaovako vady sahaza azy izy. Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny biby rehetra sy ny voromanidina rehetra. Dia noentiny tany amin-dRalehilahy ireny mba hahitany izay anarana hiantsoany azy avy; koa izay rehetra niantsoan-dRalehilahy ny zavamananaina rehetra dia izany no anarany. Dia nomen-dRalehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra, nefa tsy hita izay mpanampy tandrify ho an-dRalehilahy. Ary NY TOMPO Andriamanitra nahasondrian-tory an-dRalehilahy ka natory izy; dia naka iray avy tamin’ireo taolan-tehezany NY TOMPO Andriamanitra ka nanakombona nofo ho solon’izany. Ary ilay taolan-tehezana izay nalainy tamin-dRalehilahy dia namboariny ho vehivavy ka noentiny nankany amin-dRalehilahy. Dia hoy Ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy, satria lehilahy no nakana azy. Noho izany dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roa. Ary nitanjaka izy mivady, dia Ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy ireo. Ny menarana dia fetsy noho ny bibidia rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dRavehivavy: Hay va niteny Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha! Hoy Ravehivavy tamin’ilay menarana: Ny voan’ny hazo eo amin’ny saha dia azonay ihinanana ihany. Fa ny amin’ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha kosa dia hoy Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao ho faty ianareo. Hoy ny menarana tamin-dRavehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo! Fa fantatr’Andriamanitra hoe amin’izay andro ihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy. Ary hitan-dRavehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso, no hazo mahatsiriritra toa hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; dia nomeny koa ny vadiny izay teo anilany ka nihinana. Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy ireo. Ary nanjaitra ravin’aviavimbazaha izy mba hanaovany sikina. Ary nandre NY TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao amin’ny saha izy ireo rehefa harivariva ny andro dia niafina ny tavan’NY TOMPO Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha Ralehilahy sy ny vadiny. Ary NY TOMPO Andriamanitra niantso an-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Aiza moa ianao? Dia hoy Ralehilahy: Nandre ny feonao tao amin’ny saha aho dia natahotra satria mitanjaka; dia niery aho. Hoy Ny TOMPO Andriamanitra: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Fa angaha nihinananao ny hazo izay nandrarako anao tsy hohanina? Hoy Ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo dia nihinana aho. Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin-dRavehivavy: Inona izao nataonao izao? Hoy Ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy dia nihinana aho. Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nahavita izany ianao dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibidia rehetra: Ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy; toy izany koa ny taranakao sy ny taranany: Hanorotoro ny lohanao ny taranany, ary ianao kosa dia hanorotoro ny voditongony. Hoy koa Izy tamin-dRavehivavy: Hataoko be dia be tokoa ny fahorianao, indrindra fa rehefa manana anaka ianao, ka amin’ny fahoriana no hiterahanao. Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ary izy no hanapaka aminao. Hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria nihaino ny feon’ny vadinao ianao ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza mihinana avy amin’izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokatry ny tany amin’ny andro rehetra hiainanao. Haniry tsilo sy songosongo ho anao ny tany ary ny anana eny an-tsaha no hohaninao. Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany; fa avy amin’ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao ary hiverina ho amin’ny vovoka indray. Ary nataon-dRalehilahy hoe Eva ny anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. Ary NY TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy ireo. Ary hoy NY TOMPO Andriamanitra: Indro, tonga tahaka ny iray Amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ankehitriny, fandrao hanatsotra ny tanany izy ka hanalany hihinanany koa ny hazon’aina dia ho velona mandrakizay izy! Dia noroahin’NY TOMPO Andriamanitra tao amin’ny saha Edena izy ireo mba hiasa ny tany izay nanalana azy. Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihodinkodina hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina. Ary nahalala an’i Eva vadiny i Adama; dia nanana anaka i Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Nahazo zazalahy tamin’NY TOMPO aho. Ary niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry fa i Kaina kosa dia mpiasa tany. Rehefa afaka elaela dia nitondran’i Kaina ho fanatitra ho an’NY TOMPO ny vokatry ny tany. Ny an’i Abela kosa dia avy amin’izay matavy tamin’ny voalohan-teraky ny ondriny no nitondrany. Ary NY TOMPO nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny; fa i Kaina mbamin’ny fanatiny kosa dia tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra i Kaina sady nanjombona ny tarehiny. Hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara ny ataonao, moa tsy ho miramirana va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny ataonao dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka aminy! Ary niteny tamin’i Abela rahalahiny i Kaina hoe: Andeha isika ho any an-tsaha. Nony tany an-tsaha izy mirahalahy dia nitsangana nanatona an’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono azy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Aiza i Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? Hoy NY TOMPO: Inona moa no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao dia mitaraina Amiko avy amin’ny tany. Ankehitriny dia voaozona ianao ka hiala amin’ny tany fonenana izay nisokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao. Koa raha miasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izany ka ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao. Dia hoy i Kaina tamin’NY TOMPO: Lehibe mihoatra noho izay zakako ny valin’ny heloko. Indro, noroahinao hiala amin’ny tany fonenana aho androany, ary ho takona amiko ny tavanao ka ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany aho; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy. Hoy NY TOMPO taminy: Raha izany, na iza na iza hamono an’i Kaina dia hovalina fito heny izy. Ary NY TOMPO nanisy famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy. Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Kaina ka nonina tany amin’ny tany Noda, any atsinanan’i Edena. Ary nahalala ny vadiny i Kaina dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka an’i Enoka. Ary nanorina tanàna i Kaina ka ny anaran’ilay tanàna dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zanany lahy. I Enoka dia niteraka an’Irada; Irada dia niteraka an’i Mehojaela; i Mehojaela dia niteraka an’i Metosaela; ary i Metosaela dia niteraka an’i Lameka. I Lameka dia nampirafy roa: Ada no anaran’ny iray ary Zila kosa ny iray. Ary i Ada dia niteraka an’i Jabala; izy no rain’ny mpitoetra an-tranolay, mpiandry omby aman’ondry. Ny anaran’ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka sodina rehetra. I Zila dia niteraka an’i Tobala-Kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy. Ny anabavin’i Tobala-Kaina dia i Nama. Hoy i Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, henoy ny feoko! Ry vadin’i Lameka, tandremo ny teniko! Nahafaty lehilahy iray aho noho ny feriko ary zaza iray noho ny ratrako. Raha avo fito heny no amaliana an’izay mamono an’i Kaina dia avo fito amby fitopolo heny kosa ny ho an’izay mamono an’i Lameka! Ary nahalala ny vadiny indray i Adama ka niteraka zazalahy Ravehivavy, ary ny anarany dia nataony hoe Seta; satria Andriamanitra, hoy izy, nanome ahy zanaka iray hafa ho solon’i Abela, izay novonoin’i Kaina. I Seta koa dia niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Enosy. Tamin’izany fotoana izany no nanombohana niantsoana ny anaran’NY TOMPO. Ity no boky milaza ny taranak’i Adama. Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’Andriamanitra no nanaovany azy. Lahy sy vavy no nahariany azy ireo; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama, tamin’ny andro nahariany azy. Telopolo amby zato taona i Adama raha niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny, ary ny anarany dia nataony hoe Seta. Ny andron’i Adama taorianan’ny niterahany an’i Seta dia valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Adama dia telopolo sy sivinjato taona; dia maty izy. Dimy amby zato taona i Seta raha niteraka an’i Enosy. Ny andro niainan’i Seta taorianan’ny niterahany an’i Enosy dia fito sy valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Seta dia roa amby folo sy sivinjato taona; dia maty izy. Sivifolo taona i Enosy raha niteraka an’i Kenana. Ny andro niainan’i Enosy taorianan’ny niterahany an’i Kenana dia dimy amby folo sy valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Enosy dia dimy sy sivinjato taona; dia maty izy. Fitopolo taona i Kenana raha niteraka an’i Mahalalila. Ny andro niainan’i Kenana taorianan’ny niterahany an’i Mahalalila dia efapolo sy valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Kenana dia folo sy sivinjato taona; dia maty izy. Dimy amby enimpolo taona i Mahalalila raha niteraka an’i Jareda. Ny andro niainan’i Mahalalila taorianan’ny niterahany an’i Jareda dia telopolo sy valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Mahalalila dia dimy amby sivifolo sy valonjato taona; dia maty izy. Roa amby enimpolo amby zato taona i Jereda raha niteraka an’i Enoka. Ny andro niainan’i Jereda taorianan’ny niterahany an’i Enoka dia valonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Jereda dia roa amby enimpolo sy sivinjato taona; dia maty izy. Dimy amby enimpolo taona i Enoka raha niteraka an’i Metosela. Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra telonjato taona i Enoka taorianan’ny niterahany an’i Metosela; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Enoka dia dimy amby enimpolo sy telonjato taona. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka; koa tsy hita izy, satria nalain’Andriamanitra. Fito amby valopolo amby zato taona i Metosela raha niteraka an’i Lameka. Ny andro niainan’i Metosela taorianan’ny niterahany an’i Lameka dia roa amby valopolo sy fitonjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Metosela dia sivy amby enimpolo sy sivinjato taona; dia maty izy. Roa amby valopolo amby zato taona i Lameka raha niteraka zazalahy. Ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ny asantsika sy ny fisasaran’ny tanantsika noho ny tany izay nozonin’NY TOMPO. Ny andro niainan’i Lameka taorianan’ny niterahany an’i Noa dia dimy amby sivifolo sy dimanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny andro rehetra niainan’i Lameka dia fito amby fitopolo sy fitonjato taona; dia maty izy. Dimanjato taona i Noa raha niteraka an’i Sema sy i Hama ary i Jafeta. Rehefa nihamaro ny olona tetỳ ambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro izy ireo dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ireo zanakavavin’ny olona ireo, koa nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy ireo. Dia hoy NY TOMPO: Tsy mba hijanona mandrakariva ao amin’ny olona ny fofonaiko fa nofo izy, koa ho roapolo amby zato taona ihany ny androny. Tamin’izany andro izany, sy taorianan’izany koa, rehefa nivady tamin’ireo zanakavavin’ny olona ireo zanak’Andriamanitra dia niteraka taminy ka nisy ireo Nefilima tetỳ ambonin’ny tany; ireo no olo-mahery hatrizay ela izay, dia ireo lehilahy nanan-daza. Ary hitan’NY TOMPO fa be ny faharatsian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany, koa izay fisainana rehetra foronin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary NY TOMPO nanenina noho ny nanaovany ny olona teto ambonin’ny tany ka nalahelo ny fony. Dia hoy NY TOMPO: Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noharìko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka, mbamin’ny voromanidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy. Fa i Noa kosa dia nahita fitia teo imason’NY TOMPO. Ary izao no tantaran’i Noa: I Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa. Niteraka telo mirahalahy i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta. Ary feno fahalovana sy herisetra teo anatrehan’Andriamanitra ny tany. Hitan’Andriamanitra fa indro, feno fahalovana ny tany; ny nofo rehetra dia samy niaina tamin’ny fahalovana tetỳ ambonin’ny tany. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Tonga ny faran’ny nofo rehetra satria feno herisetra ny tany noho ny amin’ny olona ka indro, handringana azy mbamin’ny tany Aho. Koa manamboara sambofiara amin’ny hazomenaka; hasianao efitrefitra ny sambofiara ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany. Toy izao no hanaovanao azy: Telonjato hakiho ny lavan’ny sambofiara, dimampolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony. Asio tafo ny sambofiara ka ataovy iray hakiho avy eo ambony, ary asio varavarana eo amin’ny rindriny; ataovy rihana telo ny ao anatiny. Fa Izaho hahatonga ny safodrano eny ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-pofonaina eny ambanin’ny lanitra ka ho faty izay rehetra eo amin’ny tany. Nefa kosa haoriko aminao ny fanekeko; hiditra ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vinantovavinao izay miaraka aminao. Ary hitondranao roa avy isaky ny karazany ho ao anatin’ny sambofiara ny zavamananaina rehetra mba hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. Ny vorona, samy araka ny karazany avy, ny biby, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, roa avy isan-karazany no hankeo aminao mba hovelomina. Ary ianao, makà amin’ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana ka angony ho eo aminao; fa ho hanina ho anao sy ho an’ireo biby ireo izany. Dia nataon’i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Noa: Midira ao anatin’ny sambofiara ianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ity taranaka ity. Analao ho ao aminao ny biby madio rehetra isaky ny karazany, fito avy, lahy sy vavy; ny biby tsy madio isaky ny karazany, roa avy, lahy sy vavy; ary ny voromanidina isaky ny karazany koa, fito avy, lahy sy vavy, mba tsy ho lany taranaka ambonin’ny tany rehetra ireny. Fa raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efapolo andro sy efapolo alina; ary ny mananaina rehetra izay nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany. Dia narahin’i Noa izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy. Eninjato taona i Noa raha tonga teto ambonin’ny tany ny safodrano. Ary i Noa sy ny vady aman-janany mbamin’ny vinantovaviny niaraka taminy dia niditra tao anatin’ny sambofiara mba tsy ho tratry ny safodrano. Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Noa. Rehefa afaka hafitoana dia tonga tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano. Tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny faheninjato taona niainan’i Noa, tamin’izany andro izany dia vaky ny loharano rehetra tamin’ny lalina lehibe ary nivoha ireo varavaran’ny lanitra. Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Tamin’izay andro izay indrindra no efa tafiditra tao anatin’ny sambofiara i Noa, i Sema, i Hama ary i Jafeta, zanakalahin’i Noa, ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy mbamin’ny bibidia rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, ny voronkely ary ny manana elatra rehetra. Niditra tao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara ireo, tsiroaroa avy tamin’ny nofo rehetra izay manam-pofonaina. Izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ny nofo rehetra, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Noa. Dia narindrin’NY TOMPO tao izy ireo. Naharitra efapolo andro tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano ka niakatra ny rano dia nanainga ny sambofiara, ary nitsinkafona niala tamin’ny tany izy. Nitombo ny rano ka nisondrotra be indrindra tetỳ ambonin’ny tany, dia nandeha teny ambonin’ny rano ny sambofiara. Nitombo izay tsy izy ny rano tetỳ ambonin’ny tany ka voasarony ny tendrombohitra avo rehetra izay tetỳ ambanin’ny lanitra manontolo. Nihoatra dimy amby folo hakiho ny rano ka voasarona ny tendrombohitra. Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tetỳ ambonin’ny tany, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny bibidia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olombelona rehetra. Izay rehetra manam-pofonaina eo am-bavorony, izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. Naringana ny mananaina rehetra izay tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina; naringana tsy ho amin’ny tany ireny. Fa i Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona. Mbola nitombo ihany tetỳ ambonin’ny tany nandritra ny dimampolo amby zato andro ny rano. Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Noa mbamin’ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara; ary Andriamanitra nampandalo rivotra nanerana ny tany ka nihena ny rano. Ary tampina ireo loharanon’ny lalina sy ny varavaran’ny lanitra ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra. Dia niala niandalana tamin’ny tany ny rano; nony afaka dimampolo amby zato andro dia efa nihena ny rano. Dia nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata ny sambofiara tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana fahafito. Nefa ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; koa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra. Rehefa afaka efapolo andro dia novohan’i Noa ny varavarankelin’ny sambofiara izay nataony. Dia namoaka goaika iray izy, ary niverimberina izy iny mandra-paharìtra ny rano tamin’ny tany. Dia namoaka voromailala iray izay teo aminy izy, hahitany na efa kely ny rano tetỳ ambonin’ny tany na tsia. Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara. Mbola niandry hafitoana koa izy dia navoakany tao amin’ny sambofiara indray ilay voromailala. Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro ary indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany! Izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano teny ambonin’ny tany. Ary mbola niandry hafitoana indray izy dia namoaka ilay voromailala. Tsy niverina teo aminy intsony anefa iny. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika sy eninjato dia ritra ny rano teny ambonin’ny tany. Ary nanaisotra ny tafon’ny sambofiara i Noa ka nijery ary indro, efa maina ny tany. Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina ny tany. Ary Andriamanitra niteny tamin’i Noa hoe: Mivoaha avy ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao ary ny vinantovavinao miaraka aminao. Ary ny zavamananaina rehetra izay miaraka aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia avoahy miaraka aminao, ary aoka hiteraka betsaka eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hitombo isa eny ambonin’ny tany ireny. Dia nivoaka avy tao i Noa sy ny vady aman-janany ary ny vinantovaviny niaraka taminy. Ny zavamananaina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany isan-tsokajiny dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambofiara. Dia nanorina alitara ho an’NY TOMPO i Noa; nanalany natao fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ny alitara ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra. Dia nandre ny hanitra ankasitrahana NY TOMPO ka hoy Izy tao am-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ny olona Aho; fa izay foronin’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony tahaka izay nataoko teo Aho. Raha mbola maharitra koa ny tany dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina ary ny andro sy ny alina. Nitahy an’i Noa sy ny zanany Andriamanitra ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany. Hanan-tahotra sy hihorohoro aminareo ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra; ireny mbamin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina dia efa natolotra ho eo an-tananareo. Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinanareo; omeko anareo toy ny zava-maitso koa izy rehetra. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina, dia ny rany izany, no aza haninareo. Fa hampamoahiko kosa ny ranareo satria ainareo izany; eo amin’ny tanan’ny mananaina rehetra no hampamoahako azy; ary eo amin’ny tanan’ny olona, dia eo amin’ny tanan’ny olona tsirairay, no hampamoahiko ny ain’ny olona. Izay mandatsaka ny ran’olona dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona. Koa ny aminareo dia maroa fara sy mihabetsaha; aoka ho marobe eny ambonin’ny tany ianareo ary mihabetsaha eny. Ary Andriamanitra mbola niteny tamin’i Noa sy tamin’ireo zanany izay niaraka taminy hoe: Raha ny Amiko dia indro, manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ny taranakareo handimby anareo Aho, ary amin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo, na ny vorona na ny biby fiompy na ny bibidia rehetra eo aminareo, izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara, dia ny biby samihafa rehetra. Dia aoriko ny fanekeko aminareo ka tsy haringako amin’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony. Ary hoy ihany Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko Amiko sy aminareo mbamin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo hatramin’ny taranaka fara aman-dimby: Ny avako dia apetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena Amiko sy amin’ny tany. Rehefa mampiangona rahona eo ambonin’ny tany Aho ka hita eo amin’ny rahona ny avana dia hotsarovako ny fanekeko izay Amiko sy aminareo mbamin’ny zavamananaina, dia ny nofo rehetra; tsy hisy safodrano handringana ny nofo rehetra intsony. Ho eo amin’ny rahona ny avana; hitsinjo azy Aho mba hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay amin’Andriamanitra sy amin’ny zavamananaina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ny tany. Ary hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko Amiko sy amin’ny nofo rehetra etỳ ambonin’ny tany. Ny zanakalahin’i Noa nivoaka avy tamin’ny sambofiara dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta. I Hama no rain’i Kanana. Ireo telo lahy ireo no zanak’i Noa. Avy tamin’ireo no nielezan’ny olona tetỳ ambonin’ny tany rehetra. Ary tonga mpamboly i Noa ka namboly voaloboka. Ary nisotro divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny tranolainy. Ary hitan’i Hama, rain’i Kanana, ny fitanjahan’ny rainy ka nambarany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany izany. Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy. Dia nahatsiaro i Noa rehefa afaka ny hamamoany ka nahafantatra izay nataon’ny zanany faralahy taminy. Dia hoy izy: Ho voaozona anie i Kanana! Ho tena mpanompon’ny rahalahiny anie izy! Ary hoy koa izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Sema, ary aoka i Kanana ho mpanompony! Hataon’Andriamanitra malalaka anie ny toeran’i Jafeta, aoka honina ao an-dain’i Sema izy; ary aoka i Kanana ho mpanompony! Ny andro niainan’i Noa taorianan’ny safodrano dia dimampolo sy telonjato taona. Ary ny andro rehetra niainan’i Noa dia dimampolo sy sivinjato taona; dia maty izy. Ireto no taranaky ny zanakalahin’i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy ireo taorianan’ny safodrano. Ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gomera, i Magoga, i Maday, i Javana, i Tobala, i Maseka ary i Tirasa. Ny zanakalahin’i Gomera dia i Askenaza, i Rifata ary i Togarma. Ny zanakalahin’i Javana dia i Elisaha, i Tarsisy, ny Kitima ary ny Dodanita. Avy tamin’ireo ny firenena no niparitaka tany amin’ireo nosy, tany amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin’ny fireneny avy. Ny zanakalahin’i Hama dia i Kosy, i Mizraima, i Pota ary i Kanana. Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba, i Havila, i Sabta, i Ragama ary i Sabteka. Ny zanakalahin’i Ragama dia i Seba sy i Dedana. I Kosy dia niteraka an’i Nimroda; izy no tonga olo-mahery voalohany tetỳ ambonin’ny tany. Mpihaza mahery teo anatrehan’NY TOMPO izy, koa izany no nanaovan’ny olona hoe: Tahaka an’i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’NY TOMPO. Ny niandohan’ny fanjakany dia i Babela, i Ereka, i Akada ary i Kalne tany amin’ny tany Sinara. Ary niala avy tamin’izany tany izany izy ka nankany Asiria, dia nanorina an’i Ninive mbamin’i Rehobota-Ira, i Kala ary i Resena teo anelanelan’i Ninive sy i Kala, dia ilay tanàna lehibe izany. I Mizraima dia niteraka ny Lodita, ny Anamita, ny Lehabita, ny Naftohita, ny Patrosita, ny Kaslohita izay niavian’ny Filistina ary ny Kaftorita. I Kanana dia niteraka an’i Sidona lahimatoany sy i Heta, ny Jebosita, ny Amorita, ny Girgasita, ny Hivita, ny Arkita, ny Sinita, ny Arvadita ary ny Zemarita sy ny Hamatita; tatỳ aoriana dia niely ireo fokon’ny Kananita. Ny sisintanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora ary Adma sy Zeboima. Ireo no zanak’i Hama araka ny fokony, araka ny fiteniny, amin’ny taniny, amin’ny fireneny. Dia niteraka koa i Sema, razamben’ireo taranak’i Ebera rehetra, rahalahin’i Jafeta, izay zokiny. Ny zanakalahin’i Sema dia i Elama, i Asira, i Arpaksada, i Loda ary i Arama. Ny zanakalahin’i Arama dia i Oza, i Hola, i Getera ary i Masy. I Arpaksada dia niteraka an’i Sela, ary i Sela dia niteraka an’i Ebera. I Ebera dia niteraka roa lahy: Ny anaran’ny iray dia natao hoe Pelega satria tamin’ny androny no nizarana ny tany, ary Joktana no anaran’ny rahalahiny. I Joktana dia niteraka an’i Almodada, i Selefa, i Hazarmaveta, i Jera, i Hadorama, i Ozala, i Dikla, i Obala, i Abimaela, i Sheba, i Ofira, i Havila ary i Jobaba. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana. Ny fonenan’ireo dia hatrany Mesa ao akaikin’i Sefara, tendrombohitra any atsinanana. Ireo no zanak’i Sema araka ny fokony, araka ny fiteniny, amin’ny taniny, araka ny fireneny. Ireo no fokon’ireo zanak’i Noa araka ny taranany, amin’ny fireneny. Avy tamin’ireo no niparitahan’ny firenena tetỳ ambonin’ny tany taorianan’ny safodrano. Ny tany manontolo dia nampiasa fiteny tokana sy voambolana mitovy. Ary raha niainga avy any atsinanana ny olona dia nahita lohasaha tany amin’ny tany Sinara ka nonina tao. Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Andeha isika hanao biriky dia hodorana tsara. Ary nataony solom-bato ny biriky, ary nataony solon-drihitra ny godorao. Sady hoy izy: Andeha isika hanorina tanàna sy tilikambo ka hahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanao izay hahazoantsika laza mba tsy hielezantsika eny ambonin’ny tany rehetra! Dia nidina NY TOMPO hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay nataon’ny zanak’olombelona. Ary hoy NY TOMPO: Indro, firenena tokana ny olona, sady iray fiteny izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony. Koa ankehitriny dia tsy misy azo sakanana izay kasainy hatao na inona na inona. Aoka Isika hidina ka eny no hampisavorovoroantsika ny fiteniny mba tsy hifankahalala teny izy ireo. Avy tao no nampielezan’NY TOMPO azy ireo manerana ny tany manontolo; dia nitsahatra tsy nanorina ilay tanàna intsony izy. Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela satria tao NY TOMPO no nampisavorovoro ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy tao no nampielezan’NY TOMPO ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra. Ireto no taranak’i Sema: Zato taona i Sema raha niteraka an’i Arpaksada, roa taona taorianan’ny safodrano. Ny andro niainan’i Sema taorianan’ny niterahany an’i Arpaksada dia dimanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Dimy amby telopolo taona i Arpaksada raha niteraka an’i Sela. Ny andro niainan’i Arpaksada taorianan’ny niterahany an’i Sela dia telo sy efajato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Telopolo taona i Sela raha niteraka an’i Ebera. Ny andro niainan’i Sela taorianan’ny niterahany an’i Ebera dia telo sy efajato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Efatra amby telopolo taona i Ebera raha niteraka an’i Pelega. Ny andro niainan’i Ebera taorianan’ny niterahany an’i Pelega dia telopolo sy efajato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Telopolo taona i Pelega raha niteraka an’i Reo. Ny andro niainan’i Pelega taorianan’ny niterahany an’i Reo dia sivy sy roanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Roa amby telopolo taona i Reo raha niteraka an’i Seroga. Ny andro niainan’i Reo taorianan’ny niterahany an’i Seroga dia fito sy roanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Telopolo taona i Seroga raha niteraka an’i Nahora. Ny andro niainan’i Seroga taorianan’ny niterahany an’i Nahora dia roanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Sivy amby roapolo taona i Nahora raha niteraka an’i Tera. Ny andro niainan’i Nahora taorianan’ny niterahany an’i Tera dia sivy amby folo amby zato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Fitopolo taona i Tera raha niteraka an’i Abrama sy i Nahora ary i Harana. Ary izao no taranak’i Tera: I Tera dia niteraka an’i Abrama sy i Nahora ary i Harana. I Harana dia niteraka an’i Lota. Mbola velona i Tera rainy tamin’ny nahafatesan’i Harana tao amin’ny tany nahaterahany, tao Oran’ny Kaldeana. Samy naka vady i Abrama sy i Nahora; ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’Iska. Ary momba i Saray; tsy nanan-janaka izy. Ary i Tera dia nitondra an’i Abrama zanany sy i Lota zafiny, zanak’i Harana, ary i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany. Niara-niala taminy tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana ireo. Tonga tao Harana izy ireo ka nonina tao. Dimy sy roanjato taona ny andro niainan’i Tera raha maty tao Harana izy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao. Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ho fitahiana tokoa ianao. Hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao. Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Dia nandeha i Abrama, araka izay nolazain’NY TOMPO taminy, ary mba niaraka taminy koa i Lota. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama raha niala tao Harana. Ary i Abrama dia nitondra an’i Saray vadiny sy i Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay noharìny sy ny olona izay azony tao Harana. Niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, dia tonga tany amin’ny tany Kanana. Ary i Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, hatreo amin’ny hazo terebintan’i More. Ny Kananita no tao amin’ny tany Kanana tamin’izany fotoana izany. Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrama ka niteny hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO izay niseho taminy. Ary nifindra niala teo hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela izy ka nanorina ny tranolainy teo anelanelan’i Betela teo andrefany ary i Ay teo atsinanany. Nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo koa izy ka niantso ny anaran’NY TOMPO. Dia niainga indray i Abrama ka nandroso niandalana ho any Negeva. Ary nisy mosary teo amin’ny tany; dia nidina nankany Ejipta i Abrama mba hivahiny any fa mafy ny mosary teo amin’ny tany. Rehefa akaiky ho tonga tany Ejipta izy dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao, koa raha hitan’ny Ejiptiana dia hataony hoe vadiny io! Dia hovonoiny aho fa ianao kosa dia hovelominy. Miangavy anao aho, lazao fa anabaviko ianao mba hanisiany soa ahy noho ny aminao ka ho velona aho noho ny aminao. Rehefa tonga tany Ejipta i Abrama dia hitan’ny Ejiptiana fa tsara tarehy tokoa Ravehivavy. Nahita azy koa ireo tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia noentina tao an-tranon’i Farao izy. Ary nasian’i Farao soa i Abrama noho ny amin’i Saray; nahazo ondry, omby, borikilahy, mpanompolahy, mpanompovavy, borikivavy ary rameva izy. Nasian’NY TOMPO areti-mandoza anefa i Farao sy ny ankohonany noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama. Dia nampaka an’i Abrama i Farao ka niteny hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? Nahoana ianao no nilaza hoe: Anabaviko izy? Nefa noho izay no nakako azy ho vady. Koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento any izy dia mandehana! Dia nanome baiko ireo mpanompony i Farao handefa an’i Abrama sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota. Ary nanana harena be i Abrama, dia omby aman’ondry sy volafotsy ary volamena. Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra, hatrany Negeva ka hatrany Betela izay niorenan’ny tranolainy tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy i Ay, teo amin’ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ny voalohany; ary niantso ny anaran’NY TOMPO teo i Abrama. Ary i Lota koa, izay niara-nandeha tamin’i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby ary tranolay. Ary tsy omby azy roa lahy hiarahany monina ny tany satria be loatra ny fananany avy ka tsy afaka niara-monina intsony izy ireo. Dia niady ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny mpiandry ombin’i Lota. Ny Kananita sy ny Perizita no nonina tao Kanana tamin’izany fotoana izany. Ary hoy i Abrama tamin’i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amiko sy aminao, na amin’ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpihavana isika. Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Miangavy anao aho, aoka hisara-dalana isika: Raha mianavaratra ianao dia hianatsimo aho, fa raha mianatsimo kosa ianao dia hianavaratra aho. Dia nanopy ny masony i Lota ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana hatrany akaikin’i Zoara fa azon-drano avokoa izy ireo, tahaka ny sahan’NY TOMPO sy tahaka ny tany Ejipta. Talohan’ny nandravan’NY TOMPO an’i Sodoma sy i Gomora izany. Dia nifidy ny tany rehetra teo amoron’i Jordana i Lota ary niainga niantsinanana; toy izany no nisarahan’izy roa lahy. I Abrama dia nonina tao amin’ny tany Kanana, fa i Lota kosa dia nonina tany amin’ireo tanàna amin’ny faritra manamorona an’i Jordana ka namindrafindra ny tobiny hatrany Sodoma. Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady tena mpanota teo imason’NY TOMPO. Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana, fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. Hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahaisa ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao. Mitsangàna ianao ka mandehana mitety ny tany amin’ny lavany sy ny sakany fa homeko anao izany. Ary namindrafindra ny tobiny i Abrama dia nandeha ka nonina teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre izay any Hebrona. Teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO. Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, i Arioka, mpanjakan’i Elasara, i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, ary i Tidala, mpanjakan’ny Goima, dia nandeha izy ireo ka nanafika an’i Bera, mpanjakan’i Sodoma, i Birsa, mpanjakan’i Gomora, i Sinaba, mpanjakan’i Adma, i Semebera, mpanjakan’i Zeboima, ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany. Ireo rehetra ireo dia nifamotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima dia ny Ranomasina Maty izany. Nanompo an’i Kedorlaomera roa amby folo taona ireo, fa tamin’ny taona fahatelo amby folo kosa izy ireo dia nikomy. Tamin’ny taona fahefatra amby folo dia tonga i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy ka namely ny Refaita tany Astarota-Karnaima, ny Zozima tany Hama, ny Emima tany Save-Kiriataima, ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seìra hatrany El-Parana, izay eny anilan’ny tany efitra. Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara. Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima, dia tamin’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy i Tidala, mpanjakan’i Goima, ary i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, sy i Arioka, mpanjakan’i Elasara; mpanjaka efatra izany no niady tamin’ny mpanjaka dimy. Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra. Nobaboin’izy ireo ny fananana sy ny hanina rehetra tao Sodoma sy Gomora, dia lasa izy ireo nandeha. Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma. Nisy iray anefa afa-nandositra ka tonga nanambara izany tamin’i Abrama hebreo, izay nonina teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre amorita, rahalahin’i Eskola sy i Anera, satria ireo dia olona vita fanekena tamin’i Abrama. Ary raha nahare i Abrama fa lasan-ko babo ny havany dia nitondra mpanompo valo amby folo sy telonjato izay teraka tao an-tranony sady efa nahay niady izy ka nanenjika azy hatrany Dana. Dia nifampizara ho antokotokony izy sy ireo mpanompony nony alina ka namely azy ireo ary nanenjika azy hatrany Hoba, izay any avaratr’i Damaskosy. Voaveriny ny fananana rehetra, ary i Lota havany sy ny fananany dia nampodiny koa niaraka tamin’ny vehivavy sy ny vahoaka. Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma hitsena an’i Abrama teo an-dohasaha Save, na ny Lohasahan’ny mpanjaka, rehefa niverina avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy izy. Ary tamy i Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nitondra mofo sy divay; izy io dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra. Dia nitsodrano an’i Abrama izy ka niteny hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie i Abrama, dia Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany! Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao! Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra. Ary hoy ny mpanjakan’i Sodoma tamin’i Abrama: Omeo ahy ny olona fa ny fananana ento ho anao. Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sodoma: Efa nanangana ny tanako tamin’NY TOMPO, Andriamanitra Avo Indrindra, izay nahary ny lanitra sy ny tany, aho fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’izay rehetra mety ho anao, fandrao dia hataonao hoe: Izaho no nampanankarena an’i Abrama! Eny, tsy handray aho afa-tsy izay nohanin’ireo zatovo sy ny anjaran’ny olona izay niaraka tamiko, dia i Anera sy i Eskola ary i Mamre; koa aoka horaisin’ireo ny anjarany. Rehefa afaka izany dia tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’NY TOMPO hoe: Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao, ary ho lehibe indrindra ny valim-pitianao. Ary hoy i Abrama: Andriamanitra TOMPO ô, inona no homenao ahy? Izaho ity efa mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, koa ny ho mpandova ny fananako dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. Hoy koa i Abrama: Indro aho tsy nomenao fara handimby ahy ka indro, ny iray amin’ny ato an-tranoko no handova ahy. Ary indro, tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Tsy handova anao izy, fa izay haterakao ihany no handova anao. Dia nitondra azy nankeo ivelan’ny tranolay Izy ka niteny hoe: Jereo ange ny lanitra ka isao ireo kintana raha mahaisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka ireo ny taranakao. Ary nino NY TOMPO izy, koa nisainy ho fahamarinany izany. Ary hoy Izy taminy: Izaho no TOMPO izay nitondra anao niala avy tany Oran’ny Kaldeana mba hanomezako anao ity tany ity ho lovanao. Dia hoy i Abrama: Andriamanitra TOMPO ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity tany ity aho? Fa hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely izay telo taona Aho, osivavy izay telo taona, ondrilahy izay telo taona ary domohina sy zana-boromailala. Dia noentiny teo Aminy izany rehetra izany; nosasahiny ireny ka nampifanandrifiny avy ny tapany, fa ny vorona kosa dia tsy mba nosasahiny. Ary nisy vorona mpiremby nidina teo amin’ny fatin’ireo, fa noroahin’i Abrama ireo. Rehefa hilentika ny masoandro dia sondrian-tory i Abrama; ary indro, nisy haizimbe mahatahotra tonga taminy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy. Fa izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany dia hiala avy any mitondra fananana be dia be ny taranakao. Nefa ianao kosa ho any amin’ny razanao amin’ny fiadanana; ho tratra antitra indrindra ianao vao hodimandry. Fa amin’ny andron’ny zafiafy dia hiverina atỳ izy ireo; satria mbola tsy feno ny heloky ny Amorita hatramin’izao. Ary rehefa maty ny masoandro ka maizina be ny andro dia indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka niaraka tamin’ny fanilo mirehitra, nandeha namakivaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo. Tamin’izany andro izany no nanaovan’NY TOMPO fanekena tamin’i Abrama hoe: Ny taranakao no nomeko ity tany ity, hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, dia ny Kenita, ny Kenizita, ny Kadmonita, ny Hetita, ny Perizita, ny Refaìta, ny Amorita, ny Kananita, ny Girgasita ary ny Jebosita. I Saray vadin’i Abrama dia tsy mba niteraka. Nanana mpanompovavy ejiptiana izy. Hagara no anarany. Hoy i Saray tamin’i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy NY TOMPO; koa miangavy anao aho, vadio ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray. Folo taona no nonenan’i Abrama teo amin’ny tany Kanana rehefa nalain’i Saray, vadin’i Abrama, i Hagara ejiptiana mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama vadiny mba hovadiny. Dia nivady tamin’i Hagara izy ka nanana anaka Ravehivavy. Rehefa hitan’ity farany fa manana anaka izy dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. Ary hoy i Saray tamin’i Abrama: Hanody anao anie ny manjo ahy! Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao, kanefa nony hitany fa manana anaka izy dia nataony toy ny tsinontsinona aho. NY TOMPO anie hitsara ahy sy ianao. Hoy i Abrama tamin’i Saray: Indro, eo am-pelatananao ny mpanompovavinao; ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorin’i Saray i Hagara ka nandositra niala teo aminy. Ary ny Anjelin’NY TOMPO nahita azy teo anilan’ny loharano iray tany an-tany efitra, teo anilan’ilay loharano eo amin’ny lalana mankany Sora. Hoy Izy: Ry Hagara, mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, ary handeha ho aiza? Hoy Ravehivavy: Mandositra an’i Saray tompovaviko aho. Hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Miverena any amin’ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. Hoy koa ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Hataoko maro be ny taranakao ka tsy ho azo isaina izany noho ny hamaroany. Hoy indray ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Indro, manana anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Ismaela, satria efa nihaino ny fahorianao NY TOMPO. Ary ho lehilahy toy ny borikidia izy; hamely ny olona rehetra ny tanany ary hamely azy kosa ny tanan’ny olona rehetra; ary honina mifanatrika amin’ny rahalahiny rehetra izy. Ary ny anaran’NY TOMPO izay niteny tamin’i Hagara dia nataony hoe: Ianao no Andriamanitra izay mahita, satria, hoy izy: Teto tokoa va no nahitako Azy taorianan’ny nahitany ahy? Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe Bera-Lahay-Roỳ; eo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda izy io. Ary i Hagara dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama; ary ny anaran’ny zaza izay naterany dia nataon’i Abrama hoe Ismaela. Enina amby valopolo taona i Abrama raha niteraka an’Ismaela tamin’i Hagara. Rehefa sivy amby sivifolo taona i Abrama dia nisehoan’NY TOMPO izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anatrehako ary aoka ho tsy misy tsiny ianao. Fa Izaho hanao ny fanekeko ho Amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. Dia niankohoka i Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy hoe: Raha ny Amiko dia indro, aminao ny fanekeko ka ho tonga rain’ny firenena maro ianao. Ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony fa hatao hoe Abrahama, satria nataoko rain’ny firenena maro ianao. Hahamaro ny taranakao indrindra Aho ka hataoko firenena maro ianao; hisy mpanjaka maro hiseho avy aminao. Haoriko ny fanekeko ho Amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao any aoriananao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. Homeko anao sy ny taranakao any aoriananao ny tany fivahiniananao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay. Ary ho Andriamaniny Aho. Hoy ihany Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Izao no fanekeko ho Amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, izay hotandremanareo: Hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. Hoforana ianareo; ho famantarana ny fanekena ho Amiko sy ho aminareo izany. Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo fara aman-dimby: Na ny mpanompo izay teraka tao an-tranonao, na izay novidinao vola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao. Tsy maintsy hoforana ny mpanomponao izay teraka tao an-tranonao sy izay novidinao vola; ny fanekeko dia ho ao amin’ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. Fa ny lehilahy tsy mifora dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria nivadika tamin’ny fanekeko izy. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Ny amin’i Saray vadinao dia tsy mba hataonao hoe Saray intsony ny anarany fa Saraha no ho anarany. Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy. Dia niankohoka i Abrahama ary nihomehy sady niteny anakampo hoe: Efa zato taona va aho dia mbola hiteraka ihany? Ary i Saraha izay efa sivifolo taona va mbola hiteraka ihany koa? Ary hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: Enga anie ka Ismaela no ho velona eo anatrehanao! Ary hoy Andriamanitra: Tsia! Fa i Saraha vadinao no hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka. Haoriko aminy ny fanekeko ho fanekena mandrakizay ho an’ny taranany mandimby azy. Ary ny amin’Ismaela dia efa nihaino anao Aho. Indro, hitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa amby folo izy satria notendreko ho firenena lehibe. Nefa ny fanekeko dia haoriko amin’Isaka izay haterak’i Saraha aminao amin’ny herintaona toy izao. Rehefa vita ny teny nataon’Andriamanitra taminy dia niakatra Izy ka niala teo amin’i Abrahama. Koa nalain’i Abrahama Ismaela zanany sy ny mpanompony rehetra izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo rehetra izay novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony, koa noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy. Sivy amby sivifolo taona i Abrahama fony izy noforana. Telo amby folo taona Ismaela zanany fony izy noforana. Tamin’iny andro iny ihany no namorana an’i Abrahama sy Ismaela zanany. Ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny mpanompony izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo izay novidiny vola tamin’ny hafa firenena; eny, samy niara-noforana taminy avokoa ireo. Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazo terebinta n’i Mamre, raha izy nipetraka teo am-baravaran’ny tranolainy, tamin’ny fotoana nampafana ny andro. Dia nanopy ny masony izy ka nijery ary indreo, nisy telo lahy nijoro tandrifiny. Nony nahita ireo izy dia niala teo am-baravaran’ny tranolainy ka nihazakazaka hitsena azy ireo, dia niankohoka tamin’ny tany ary niteny hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, miangavy anao aho, aza dia andalovana fotsiny ny mpanomponao. Aoka hakana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo, ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo! Dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; rehefa afaka izany dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ny mpanomponareo ianareo. Hoy izy telo lahy: Eny ary, ataovy araka izay lazainao. Dia nandeha haingana i Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka niteny hoe: Faingàna ianao ka makà koba tsara toto intelon’ny famarana, dia fetafetao ka anamboary mofo. Nihazakazaka kosa i Abrahama nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny zatovo, izay lasa haingana hanamboatra izany. Ary naka rononomandry sy ronono ary ilay zanak’omby namboariny izy, dia narosony teo anoloan’izy telo lahy; nijoro teo anilan’izy telo lahy teo ambanin’ny hazo izy raha mbola nisakafo ireo. Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza i Saraha vadinao? Dia hoy izy: Indro, ao an-day izy. Ary hoy Izy: Hiverina atỳ aminao tokoa Aho amin’ny herintaona toy izao; ary indro, hiteraka zazalahy i Saraha vadinao. Ary i Saraha dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay izay tao ambadik’Ilay niteny. I Abrahama sy i Saraha dia samy efa zokiolona ary nandroso fahanterana, sady efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy i Saraha. Koa nihomehy anakampo i Saraha hoe: Moa mbola hanana fahafinaretana ihany va aho na dia efa tratra antitra toy izao aza sady efa antitra koa ity ny tompoko? Dia hoy NY TOMPO tamin’i Abrahama: Nahoana no nihomehy i Saraha ka niteny hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’NY TOMPO va? Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny herintaona toy izao, dia hiverina atỳ aminao Aho, ary hiteraka zazalahy i Saraha. Dia nandà i Saraha satria natahotra ka hoy izy hoe: Tsy nihomehy izany aho! Fa hoy Ilay niteny teo hoe: Tsia; nihomehy ianao! Dia nitsangana ireo lehilahy ireo ka niala teo dia nitodi-doha ho any Sodoma; ary niaraka tamin’izy ireo i Abrahama mba hanatitra azy. Ary hoy NY TOMPO hoe: Hafeniko amin’i Abrahama va izay hataoko? Fa ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa i Abrahama, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Fa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandrina ny lalan’NY TOMPO ka hanao izay marina sy mahitsy izy ireo, dia hotanterahin’NY TOMPO amin’i Abrahama izay nolazainy momba azy. Hoy ihany NY TOMPO: Ny fitarainana momba an’i Sodoma sy i Gomora dia be tokoa, ary ny fahotany dia tena mavesatra. Hidina Aho ka hizaha na tena nahavita izany tokoa, araka ny fitarainan’ny tany, izay tonga atỳ Amiko, izy ireo na tsia; raha tsy izany dia ho fantatro ihany. Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma. I Abrahama kosa dia mbola nijanona teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nanatona i Abrahama ka niteny hoe: Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina? Angamba misy olona marina dimampolo ao an-tanàna; haringanao koa va ireo fa tsy mba hamindranao fo ny tanàna noho ny dimampolo marina izay ao? Sanatria Anao ny hahavita izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka, koa ny marina dia hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra? Hoy NY TOMPO: Raha mahita olona marina dimampolo ao an-tanànan’i Sodoma Aho dia hamindra fo amin’io toerana io manontolo noho ireny. Dia hoy i Abrahama: Indro, sahy miteny amin’ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: Angamba ho latsaka dimy ny olona marina dimampolo. Moa haringanao va ny tanàna manontolo noho ny dimy? Hoy Izy: Tsy handringana Aho raha mahita olona marina dimy amby efapolo ao. Dia mbola niteny Taminy indray izy hoe: Angamba olona marina efapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hahavita izany Aho noho ny olona marina efapolo. Hoy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo fa mbola hiteny aho: Angamba olona marina telopolo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba hahavita izany Aho raha mahita olona marina telopolo ao. Dia hoy ihany i Abrahama: Indro, sahy miteny amin’ny Tompo aho: Angamba olona marina roapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny olona marina roapolo. Dia nanohy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra Ianao, Tompo ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. Dia lasa nandeha NY TOMPO rehefa vita ny teny nataony tamin’i Abrahama, ary niverina ho any amin’ny fonenany i Abrahama. Dia nankany Sodoma ireo anjely roa nony hariva ny andro, tamin’iny i Lota nipetraka teo am-bavahadin’i Sodoma iny. Nony nahita azy ireo i Lota dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka tamin’ny tany. Ary hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ny mpanomponareo ka matoria ato anio alina ary sasao ny tongotrareo, fa rehefa mifoha maraina ianareo vao handeha amin’izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia, fa aleo izahay hitoetra eto an-kianja ihany anio alina. Rehefa noteren’i Lota fatratra izy roa lahy dia nivily tany aminy ka nandroso tao an-tranony. Nahandroany sakafo izy ireo sady nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nisakafo. Raha tsy mbola natory anefa izy ireo dia tonga nanodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna, ny lehilahin’i Sodoma, na ny tanora na ny antitra, izany hoe ny vahoaka rehetra tao an-tanàna. Niantso an’i Lota izy ireo ka niteny taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? Asaivo mankaty aminay izy mba hahalalanay azy. Dia nivoaka ny varavarana i Lota hankeo amin’izy ireo ka nanakatona ny varavarana tao aorianany. Hoy izy: Ry rahalahiko, miangavy anareo aho mba tsy hanao ratsy! Indro, manan-janaka roa vavy izay tsy mbola nahalala lahy aho; miangavy anareo aho, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo ka hanaovanareo izay sitraponareo. Fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona, fa tonga hialoka ato ambanin’ny tafon-tranoko izy ireo. Hoy ny navalin’ny vahoaka azy: Mialà eto Ialahy! Avy eo indray dia hoe: Ilehity tonga tetỳ hivahiny, kanefa izy indray ity no miseho ho mpitsara! Ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin’ireo lehilahy ireo izahay! Sady nanosika mafy an’i Lota izy ireo no nisesika hamaky ny varavarana. Fa nanatsotra ny tanany izy roa lahy vahiny dia nisintona an’i Lota hankao aminy ao an-trano ary nakatony ny varavarana. Ary izy roa lahy dia nampahajambena ny mason’ireo lehilahy izay teo am-baravaran’ny trano, na kely na lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana ireo. Dia hoy izy roa lahy tamin’i Lota: Mbola misy olon-kafa va ato aminao, na vinantolahinao, na zanakao lahy, na zanakao vavy? Na zovy na zovy anananao ato an-tanàna dia ento miala amin’ity tanàna ity. Fa horavanay ity tanàna ity satria lehibe loatra ny fitarainana momba azy ireo tonga eo anatrehan’NY TOMPO, koa naniraka anay NY TOMPO handrava azy. Dia lasa i Lota ka niteny tamin’ireo vinantony izay efa hanambady ny zanany vavy hoe: Miaingà, mialà amin’ity tanàna ity, fa horavan’NY TOMPO ity tanàna ity. Nefa nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy izy. Vao maraina ny andro dia nandodona an’i Lota ireo anjely ka niteny hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao ho voaringana koa ianao noho ny heloky ny tanàna. Ary satria nitaredretra izy dia notantanan’izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindrampon’NY TOMPO taminy; dia nitondra azy niala teo izy roa lahy ka namela azy tany ivelan’ny tanàna. Rehefa nahatondra azy tany ivelany izy ireo dia niteny hoe: Mandosira hamonjy ny ainao! Aza miherika ianao ary aza mijanona mihitsy eto amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra mba tsy haharingana anao. Ary hoy i Lota taminy: Aza atao an’izany, Tompo ô! Indro, efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, sady Ianao efa nahalehibe ny famindramponao izay nataonao tamiko hamonjenao ahy; tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza ka ho faty aho! Fa indro, misy vohitra itsy, izay akaiky handosirana sady kely! Miangavy Anao re aho, aoka handositra ao aho; tsy kely va izy io? Dia ho velona aho. Dia hoy Izy taminy: Indro, ekeko koa ny fangatahanao ny amin’izany zavatra izany ka tsy horavako io vohitra voalazanao io. Mandehana haingana, mandosira ho ao, fa tsy mahazo manao na inona na inona Aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe: Zoara. Efa niposaka tamin’ny tany ny masoandro raha tonga tao Zoara i Lota. Dia nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra tamin’i Sodoma sy i Gomora NY TOMPO ka nandrava ireo tanàna, ny tany lemaka rehetra, ny mponina manontolo tao an-tanàna ary ny zavamaniry teo amin’ny tany. Nefa nitodika tany aorianany ny vadin’i Lota ka tonga vongan-tsira mitsangana. Ary nifoha vao maraina i Abrahama ka nankany amin’ilay nijoroany teo anatrehan’NY TOMPO. Nitazana an’i Sodoma sy i Gomora ary ny tany lemaka rehetra izy ka hitany fa indro, niakatra ny setroky ny tany, tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. Tamin’ny nandravan’Andriamanitra ny tanàna tany amin’ny tany lemaka dia nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra ka noentiny niala avy tao afovoan’ny loza i Lota, rehefa nandrava ny tanàna izay nonenan’i Lota izy. Dia niakatra avy tao Zoara i Lota ka nitoetra tany amin’ny tendrombohitra, izy sy ny zanany roa vavy, satria natahotra hitoetra tao Zoara izy. Nitoetra tao anaty zohy iray izy sy ny zanany roa vavy. Ary hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy etỳ ambonin’ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra. Koa andeha hampisotrointsika divay ny raintsika, dia handry aminy isika mba hananantsika taranaka avy amin’ny raintsika. Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’iny alina iny; dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin’ny rainy; kanefa izy io dia tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany. Nony ampitson’iny dia hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ny raintsika aho alina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midira ianao ka mandria aminy hananantsika taranaka avy amin’ny raintsika. Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin’iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary tsy nahafantatra ihany koa izay nandriany izy, na izay nifohazany. Dia samy nanana anaka tamin’ny rainy ny zanak’i Lota roa vavy. Niteraka zazalahy ny vavimatoa ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain’ny Moabita ankehitriny. Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ka ny anarany nataony hoe Beny-Amỳ, na ny zanaky ny fireneko; izy kosa no rain’ny taranak’i Amona ankehitriny. Dia nifindra niala teo i Abrahama ka nankany Negeva, ary nitoetra teo anelanelan’i Kadesy sy Sora izy, avy eo dia nivahiny tao Gerara. Ny filazan’i Abrahama an’i Saraha vadiny dia hoe: Anabaviko izy. Koa nandefa iraka haka an’i Saraha i Abimeleka, mpanjakan’i Gerara. Fa Andriamanitra nankeo amin’i Abimeleka tamin’ny nofy nony alina ka niteny taminy hoe: Indro, ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’olona io. Tsy mbola nanakaiky azy anefa i Abimeleka ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina? Tsy Ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? Ary Ravehivavy koa dia nilaza hoe: Anadahiko izy. Koa tamin’ny fahatsoran’ny foko sy ny fahadiovan’ny tanako no nanaovako izao. Ary hoy Andriamanitra taminy, tamin’ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ny fahatsoran’ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho koa dia niaro anao mba tsy hanota Amiko. Koa izay no tsy namelako anao hikasika azy. Koa ankehitriny, avereno ny vadin-dRalehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra mety ho anao. Dia nifoha vao maraina i Abimeleka ka niantso ny mpanompony tsy an-kanavaka ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehan’ireo, dia raiki-tahotra indrindra ny olona. Dia nampaka an’i Abrahama i Abimeleka ka niteny taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao, ary inona no ratsy nataoko taminao, no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra izay tsy fanao no nataonao tamiko. Hoy koa i Abimeleka tamin’i Abrahama: Inona no nokasainao ka nanaovanao izao zavatra izao? Dia hoy i Abrahama: Satria hoy aho hoe: Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra na dia kely aza amin’ity tany ity ka hovonoin’ny olona aho noho ny amin’ny vadiko. Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin’ny raiko fa tsy mba zanakavavin’ny reniko; dia nanambady azy aho. Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ny tranon’ny raiko Andriamanitra dia hoy aho tamin’ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’izay tany rehetra halehantsika, dia ny filazanao ahy hoe: Anadahiko izy. Ary naka ondry, omby, mpanompolahy ary mpanompovavy, i Abimeleka ka nomeny an’i Abrahama ireny sady naveriny taminy i Saraha vadiny. Hoy koa i Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin’izay tianao. Ary hoy kosa izy tamin’i Saraha: Indro, efa nomeko sekela volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho tampi-maso noho ny aminao izany, dia amin’izay rehetra miaraka aminao ka hahazo rariny eo anatrehan’ny olona rehetra ianao. Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama; ary Andriamanitra nahasitrana an’i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ireo mpanompovaviny, dia niteraka izy ireo. Fa NY TOMPO nahamomba tanteraka ny vehivavy rehetra tamin’ny ankohonan’i Abimeleka noho ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama. Ary NY TOMPO namangy an’i Saraha araka ilay efa nolazainy. Araka izay rehetra efa noteneniny no nataon’NY TOMPO tamin’i Saraha. Dia nanana anaka i Saraha ka niteraka zazalahy tamin’i Abrahama na dia antitra aza izy, tamin’ny fotoana izay nolazain’Andriamanitra taminy. Ary ny anaran’ny zanany vao teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka. Dia noforan’i Abrahama Isaka zanany rehefa valo andro, araka ny didy nomen’Andriamanitra azy. Zato taona i Abrahama raha niteraka an’Isaka zanany. Dia hoy i Saraha: Nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. Hoy koa izy: Iza moa no nanampo hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Saraha? Kanjo niteraka zazalahy taminy ihany aho na dia efa antitra aza izy! Rehefa lehibe ny zaza dia nosarahina nono. Nanao fanasana lehibe tamin’ny andro nanasarahana nono an’Isaka i Abrahama. Ary hitan’i Saraha fa nihomehy azy ny zanak’i Hagara ejiptiana, izay naterany tamin’i Abrahama. Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, fa ny zanak’io mpanompovavy io dia tsy hiray lova amin’Isaka zanako! Nahatezitra be an’i Abrahama anefa izany teny izany noho ny amin’ny zanany. Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aza atao mahatezitra anao ny amin’ny zaza sy ny mpanompovavinao. Fa na inona lazain’i Saraha aminao na inona dia ekeo ny teniny; fa avy amin’Isaka no hisy taranaka hantsoina amin’ny anaranao. Nefa ny zanak’ilay mpanompovavy koa dia hataoko firenena satria naterakao ihany izy. Dia nifoha vao maraina i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano; nomeny an’i Hagara ireo ka napetrany teo an-tsorony, dia natolony azy koa ny zaza ary nampandehaniny izy mianaka. Lasa nandeha izy ireo ka nirenireny tany an-tany efitr’i Bery-Sheba. Rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra dia nariany teo am-pototry ny hazo iray ny zaza. Dia lasa izy nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tratran’ny zana-tsipìka, fa hoy izy: Aoka mba tsy ho hitako izay hahafatesan’ny zaza! Ary nipetraka tandrifiny izy dia nanandratra ny feony nitomany. Ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza ka niantso an’i Hagara avy tany an-danitra ilay Anjelin’Andriamanitra niteny taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza eo amin’izay misy azy. Mitsangàna, areno ny zaza ka hazòny mafy amin’ny tananao; fa hataoko firenena lehibe izy. Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara ka nahita lavaka fantsakana izy; lasa nankeo izy, nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza. Ary nomban’Andriamanitra ny zaza ka nitombo; nonina tany an-tany efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka. Nonina tany an-tany efitra Parana izy ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny tany Ejipta. Tamin’izany andro izany i Abimeleka sy i Pikola, komandin’ny miaramilany, dia niteny tamin’i Abrahama hoe: Omban’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao. Koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ny tany izay ivahiniananao. Dia hoy i Abrahama: Mianiana aho. Ary nananatra an’i Abimeleka i Abrahama noho ny lavaka fantsakana iray izay nalain’ny mpanompon’i Abimeleka an-keriny. Dia hoy i Abimeleka: Tsy fantatro izay nahavita izany satria tsy mbola nanambara tamiko ianao ary tsy mbola nahare koa aho raha tsy vao izao. Ary naka ondry aman’osy i Abrahama ka nomeny an’i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy. Nanokana ondrivavy kely fito navahana tamin’ny andiany koa i Abrahama. Dia hoy i Abimeleka taminy: Hatao inona ireo ondrivavy fito natokanao ireo? Hoy ny navaliny: Mba horaisinao avy amin’ny tanako ireo ondrivavy fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io. Izany no nanaovana io toerana io hoe Bery-Sheba, satria teo no nianianan’izy roa lahy. Dia nanao fanekena tany Bery-Sheba izy roa lahy. Ary niainga i Abimeleka sy i Pikola, komandin’ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistina. Namboly hazo tamarisika tany Bery-Sheba i Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’NY TOMPO, dia Andriamanitra Mandrakizay. Ary nivahiny naharitra tany amin’ny tanin’ny Filistina i Abrahama. Taorianan’izany dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra. Hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! Dia hoy i Abrahama: Inty aho. Ary hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary any no hanoloranao azy ho fanatitra dorana manontolo, ao amin’ny tendrombohitra iray izay holazaiko aminao. Dia nifoha vao maraina i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ka nitondra ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany niaraka taminy. Namaky ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia niainga ka nankany amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy. Nony tamin’ny andro fahatelo, raha nanopy ny masony i Abrahama, dia nahatazana ilay tany terỳ lavitra erỳ. Hoy i Abrahama tamin’ny zatovony: Mijanòna eto amin’ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy dia handeha hankerỳ mba hivavaka, avy eo hiverina eto aminareo indray. Dia nalain’i Abrahama ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo ka natataony an’Isaka zanany, fa izy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tanany. Dia niara-nandeha izy mianaka. Ary hoy Isaka tamin’i Abrahama rainy hoe: Dada ô! Dia hoy izy: Inty aho, anaka! Ary hoy ny zanany: Indreto ny afo sy ny kitay, fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo? Hoy i Abrahama: Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo! Dia niara-nanohy ny diany ihany izy mianaka. Rehefa tonga teo amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka dia nanorina ny alitara teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy teo amin’ny alitara teo ambonin’ny kitay. Ary nanatsotra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. Fa niantso azy avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny hoe: Ry Abrahama ô, ry Abrahama ô! Dia namaly kosa izy hoe: Inty aho! Hoy ilay Anjely: Aza manatsotra ny tananao amin’ny zaza ary aza maninona azy akory ianao; hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. Ary niherika nijery i Abrahama ka indro, nisy ondrilahy teo aorianany, voasarangotry ny kirihitra ny tandrony; dia lasa naka ilay ondrilahy i Abrahama ary nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho solon’ny zanany. Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe NY TOMPO no hahita; izany no ilazana mandraka ankehitriny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’NY TOMPO. Niantso an’i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny hoe: Ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO: Satria izany zavatra izany no nataonao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, ianao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ny taranakao. Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao. Niverina nankeny amin’ireo mpanompony i Abrahama, dia niainga izy ireo ka niaraka nankany Bery-Sheba. Ary i Abrahama dia nonina tany Bery-Sheba. Taorianan’izany dia nisy nanambara tamin’i Abrahama hoe: Indro, niteraka zazalahy tamin’i Nahora rahalahinao koa i Milka, dia i Oza lahimatoany, i Boza lahiaivo, i Kemoela, rain’i Arama, i Kaseda, i Hazò, i Pildasy, i Jidlafa ary i Betoela. Ary i Betoela dia niteraka an’i Rebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. Ary ny vady tsindranony koa, izay atao hoe Reoma, dia niteraka an’i Teba, i Gahama, i Tahasy ary i Maaka. Ny andro niainan’i Saraha dia fito amby roapolo amby zato taona; izany no taona niainan’i Saraha. Ary maty tao Kiriata-Arba na Hebrona, tany amin’ny tany Kanana, i Saraha. Dia tonga i Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy. Ary nitsangana niala avy teo anilan’ny fatin’ny vadiny i Abrahama dia niteny tamin’ireo taranak’i Heta hoe: Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ny vadiko izay nandao ahy. Dia namaly an’i Abrahama ireo taranak’i Heta hoe: Mihainoa anay, tompokolahy: Andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ny fasanay no andeveno ny fatin’ny vadinao; tsy misy aminay tsy hanome ny fasany ho anao mba handevenanao ny fatin’ny vadinao. Dia nitsangana i Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ireo taranak’i Heta tompon-tany, ary hoy izy tamin’ireo: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin’ny vadiko izay nandao ahy dia mihainoa ahy, koa iangavio kely i Efrona, zanak’i Zohara, mba homeny ahy ilay zohiny ao Makpela, dia ilay eo amin’ny sisin’ny sahany; koa amin’izay vola tokony ho vidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana. Ary i Efrona dia niara-nipetraka tamin’ireo taranak’i Heta. Namaly an’i Abrahama i Efrona hetita teo anatrehan’ireo taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany, ka niteny hoe: Tsia, tompokolahy fa mihainoa ahy! Ny saha dia omeko anao ary ny zohy izay ao anatiny koa dia omeko anao. Eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ny vadinao. Dia niankohoka teo anatrehan’ireo tompon-tany i Abrahama ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ireo tompon-tany hoe: Raha mba hihaino ahy ihany anefa ianao dia homeko ny vidin’ny saha; raiso avy amiko izany dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko. Fa hoy ny navalin’i Efrona an’i Abrahama: Tompokolahy, mihainoa ahy! Raha izay tany tokony ho lafo sekela volafotsy efajato io, inona anefa moa izany amintsika roa lahy, fa aleveno ny fatin’ny vadinao. Neken’i Abrahama ny tenin’i Efrona ka nolanjainy ho azy teo anatrehan’ireo taranak’i Heta ny vola izay voalazany, dia sekela volafotsy efajato araka ny sandany eo amin’ny mpivarotra. Araka izany, ny sahan’i Efrona, izay teo Makpela, tandrifin’i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay tao anatiny mbamin’ny hazo rehetra izay tao amin’ny saha, izay teo amin’ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty tamin’i Abrahama ho fananany, teo imason’ireo taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany. Rehefa vita izany dia nandevina an’i Saraha vadiny tao amin’ny zohy tao amin’ny saha Makpela tandrifin’i Mamre na Hebrona, ao amin’ny tany Kanana, i Abrahama. Koa ny saha mbamin’ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ireo taranak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama ho tany fandevenana. Efa niha zokiolona i Abrahama sady nandroso fahanterana, ary NY TOMPO nitahy an’i Abrahama tamin’ny zavatra rehetra. Ary hoy i Abrahama tamin’ilay lehiben’ny mpanompony tao an-tranony izay mpanapaka ny fananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao, fa hampianianiko amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao mba tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita izay iraisako monina. Fa any amin’ny tanindrazako sy any amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako. Hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hanaraka ahy hankaty amin’ity tany ity Ravehivavy ka moa va hoentiko miverina any amin’ny tany izay nialanao ny zanakao? Dia hoy i Abrahama taminy: Tandremo mba tsy hoentinao miverina any ny zanako! NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, izay naka ahy niala tamin’ny tranon’ny raiko sy tamin’ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, Izy no haniraka ilay Anjeliny eo alohanao ka any no hakanao vady ho an’ny zanako. Ary raha tsy mety manaraka anao Ravehivavy dia afaka amin’izao fampianianako anao izao ianao. Fa izao ihany: Aza entinao miverina any mihitsy ny zanako. Dia nataon’ilay mpanompo tao ambanin’ny fen’i Abrahama tompony ny tanany ka nianiana taminy ny amin’izany zavatra izany izy. Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony ilay mpanompo, ary izay zava-tsoa nananan’ny tompony dia samy nitondrany avokoa. Dia nandeha izy ka nankany Arama-Naharaima, ho any an-tanànan’i Nahora. Nampandohalehiny teo ivelan’ny tanàna teo akaikin’ny lavaka fantsakan-drano ireo rameva, nony harivariva ny andro, dia amin’ilay fotoana fandehanan’ny vehivavy mantsaka iny. Dia hoy izy: Ry TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô! Ambino aho anio ary asio soa i Abrahama tompoko! Indro, mijoro eto anilan’ny fantsakana aho ary ho avy hantsaka rano ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna. Koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba atongilano kely ny sininao hisotroako ka hamaly hoe: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho, dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao. Izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko. Raha mbola tsy tapitra ny teniny dia indro, tamy i Rebeka izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. Tsara tarehy tokoa ilay zazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. Nihazakazaka nitsena azy ilay mpanompo ka niteny taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho. Dia hoy Razazavavy: Misotroa, tompokolahy! Sady nampidininy haingana ho eo amin’ny tanany ny sininy ka nampisotroiny Ralehilahy. Rehefa avy nampisotro azy izy dia niteny koa hoe: Andeha hantsakako koa ny ramevanao mba hisotroany mandra-pahatapi-misotro azy rehetra. Dia naidiny haingana ny rano tao an-tsininy ho ao amin’ny fampisotroana ny biby ka nihazakazaka indray izy nankeo amin’ny lavaka fantsakana hanovo rano ary nantsaka ho an’ireo ramevany rehetra. Nandinika azy tsara Ralehilahy sady nangina mba hahafantarany na nambinin’NY TOMPO ny diany na tsia. Rehefa tapitra nisotro avokoa ny rameva dia nalain-dRalehilahy ny kavin’orona volamena iray, milanja antsasaky ny sekela, sy haba fehin-tanana volamena roa, milanja sekela folo ka hoy izy: Mba lazao amiko, zanak’iza moa ianao? Ary moa misy azonay hatoriana va ao an-tranon’ny rainao? Dia hoy Razazavavy taminy: Zanakavavin’i Betoela, ilay zanakalahin’i Milka, izay naterany tamin’i Nahora aho. Hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano hatorianareo koa. Dia niondrika Ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO sady niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny tompoko! Fa notantanan’NY TOMPO teny an-dalana aho ho atỳ an-tranon’ny havan’ny tompoko. Dia lasa nihazakazaka Razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin’ny tao an-tranon’ny reniny. Ary i Rebeka dia nanana anadahy, Labana no anarany. Nihazakazaka i Labana nankeo amin-dRalehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana. Rehefa hitany ny kavin’orona sy ny haba fehin-tanana teny amin’ny anabaviny, sady reny ny tenin’i Rebeka anabaviny hoe: Izany no nolazain-dRalehilahy tamiko, dia nankeo amin-dRalehilahy izy; ary indro, mbola nijoro teo akaikin’ny rameva teo am-pantsakana Ralehilahy. Dia hoy i Labana: Mandrosoa, ry ilay notahin’NY TOMPO! Nahoana no mijanona atỳ ivelany ianao? Fa efa nanamboatra ny trano sy izay hitoeran’ny rameva aho. Dia niditra tao an-trano Ralehilahy; ary novahan’i Labana ny entana tamin’ny rameva ka nomeny mololo sy vilona ny rameva sady nomeny rano hanasana ny tongony sy ny tongotr’ireo olona izay niaraka taminy. Avy eo dia narosony teo anoloany ny sakafo. Kanefa hoy Ralehilahy: Tsy mbola hisakafo aho raha tsy efa voalazako ny anton-diako. Ary hoy i Labana: Lazao ary! Dia hoy Ralehilahy: Mpanompon’i Abrahama aho. Ary NY TOMPO nitahy indrindra ny tompoko ka efa tonga be ny fananany; Izy no nanome azy ondry aman’osy, omby, volafotsy, volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy, ary rameva sy boriky maro. Rehefa antitra i Saraha, vadin’ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin’ny tompoko izy, ary efa natolotry ny tompoko ho an’ny zanany izay rehetra ananany. Nampianiana ahy ny tompoko ka niteny hoe: Aza maka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita, izay iraisako monina, fa any amin’ny tranon’Ikaky sy any amin’ny havako no halehanao ka hakanao vady ho an’ny zanako. Ary hoy aho tamin’ny tompoko: Angamba tsy hety hanaraka ahy Ravehivavy. Dia hoy izy tamiko: NY TOMPO, izay eo anoloako amin’izay alehako, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny dianao ka haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny havako sy avy amin’ny fianakaviako ianao. Dia ho afaka amin’ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin’ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo dia ho afaka amin’ny fampianianako anao koa ianao. Ary androany aho dia tonga teo amin’ny fantsakana ka hoy aho: Ry TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, raha hambininao ny diako, indro, mijoro eto akaikin’ny fantsakana aho, koa izay zazavavy avy hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho ka hamaly hoe: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao, dia aoka izy no ho vehivavy voatendrin’NY TOMPO ho an’ny zanakalahin’ny tompoko. Raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho dia indro tamy i Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nantsaka. Dia hoy aho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho. Dia nampidininy haingana ny sininy hiala teo an-tsorony ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao! Dia nisotro aho ary nampisotro ny rameva koa izy. Dia nanontany azy aho hoe: Zanak’iza moa ianao? Hoy izy: Zanak’i Betoela, zanakalahin’i Nahora, izay naterak’i Milka taminy. Dia nataoko teo amin’ny orony ny kavina ary teny amin’ny tanany ny haba. Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko, ho an’ny zanany. Koa ankehitriny, lazao amiko raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia. Dia namaly i Labana sy i Betoela hoe: Avy tamin’NY TOMPO no nisehoan’izany zavatra izany ka tsy mahazo milaza na inona na inona aminao izahay. Indro, eto anatrehanao i Rebeka; ento izy ka mandehana; ary aoka ho vadin’ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’NY TOMPO. Rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon’i Abrahama dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’NY TOMPO izy. Ary namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana ilay mpanompo ka nomeny an’i Rebeka; nomeny fanomezana sarobidy koa ny anadahiny sy ny reniny. Dia izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireo lehilahy izay nomba azy, dia natory. Ary nifoha maraina izy ka niteny hoe: Avelao aho handeha ho any amin’ny tompoko. Fa hoy ny anadahin’i Rebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy Razazavavy na dia hafoloana ihany aza; aorianan’izay dia handeha izy. Hoy anefa Ralehilahy taminy: Aza tananareo aho fa efa nanambina ny diako NY TOMPO; avelao aho mba handeha hankany amin’ny tompoko. Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay Razazavavy ka hanontanianay izay heviny. Dia niantso an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao? Dia hoy Razazavavy: Handeha aho. Dia navelany handeha i Rebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’i Abrahama mbamin’ireo olony. Nitsodrano an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Ry anabavinay, ho tonga arivoarivo sy alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny tanànan’ny fahavalony! Dia niainga i Rebeka niaraka tamin’ireo mpanompovaviny ka nitaingina ny rameva, dia nanaraka an-dRalehilahy. Nitondra an’i Rebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. Ary Isaka dia tonga avy tamin’izay nalehany tany Bera-Lahay-Roỳ. Fa nonina tany amin’ny tany Negeva izy. Nony harivariva ny andro dia lasa tany an-tsaha Isaka mba hieritreritra, ary nitazana izy ka nahita fa indreny nisy rameva avy manatona. Ary nitazana koa i Rebeka ka nahita an’Isaka; dia nidina haingana niala tamin’ny rameva izy sady niteny tamin’ilay mpanompo hoe: Iza moa irỳ lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika irỳ? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko. Dia nandray ny voaliny i Rebeka mba hanafenany ny tarehiny. Dia nambaran’ilay mpanompo tamin’Isaka ny zavatra rehetra izay nataony. Ary nampandroso an’i Rebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny Isaka ka nampakatra azy ho vadiny. Tia azy izy ka nionona ny alahelony ny reniny. Nampaka-bady indray i Abrahama ka Ketora no anaran’izy io. Izy dia niteraka an’i Zimrana, i Joksana, i Medana, i Midiana, i Jisbaka ary i Soaha tamin’i Abrahama. Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima. Ary ny zanakalahin’i Midiana dia i Efaha, i Efera, i Hanoka, i Abida ary i Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketora. Dia natolotr’i Abrahama an’Isaka izay rehetra nananany. Nefa samy notolorany fanomezana avy ireo zanak’i Abrahama tamin’ireo vady tsindranony hafa ka nampandehaniny hiala amin’Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ny tany atsinanana dieny mbola velona izy. Dimy amby fitopolo amby zato taona ny andro niainan’i Abrahama. Dia niala aina i Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahiantitra ela niainana; dia nangonina any amin’ny razany izy. Nalevin’Isaka sy Ismaela zanany tao amin’ilay zohy ao Makpela izy; tao amin’ny sahan’i Efrona, zanak’i Zohara hetita, izay tandrifin’i Mamre izany. Io ilay saha izay novidin’i Abrahama tamin’ireo taranak’i Heta. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Saraha vadiny. Taorianan’ny nahafatesan’i Abrahama dia notahin’Andriamanitra Isaka zanany. Ary nonina teo akaikin’i Bera-Lahay-Roỳ Isaka. Ireto no taranak’Ismaela, zanakalahin’i Abrahama izay naterak’i Hagara, ilay Ejiptiana, mpanompovavin’i Saraha, tamin’i Abrahama. Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’Ismaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: I Nebaiota, lahimatoan’i Ismaela, i Kedara, i Adbela, i Mibsama, i Misma, i Doma, i Masa, i Hadada, i Tema, i Jetora, i Nafisy ary i Kedema. Ireo no zanakalahin’Ismaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa amby folo araka ny fireneny avy. Fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’Ismaela; dia niala aina izy ka maty ary nangonina any amin’ny razany. Ary ny taranany dia nonina hatrany Havila ka hatrany Sora izay tandrifin’i Ejipta amin’ny lalana mankany Asiria; nifanandrify tamin’ny rahalahiny rehetra no nitoerany. Ireto no taranak’Isaka, zanakalahin’i Abrahama: I Abrahama dia niteraka an’Isaka. Efapolo taona Isaka raha nampakatra an’i Rebeka, zanakavavin’i Betoela arameana, avy tany Padana-Arama, sady anabavin’i Labana arameana. Ary Isaka dia nangataka tamin’NY TOMPO ho an’ny vadiny, satria momba izy, dia nohenoin’NY TOMPO ny fangatahany ka nanana anaka i Rebeka vadiny. Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony, dia hoy i Rebeka: Raha izany, nahoana re no dia toy izao aho? Sady lasa nanontany NY TOMPO izy. Hoy NY TOMPO taminy: Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrany an-kibonao; ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray, koa ny zokiny dia hanompo ny zandriny. Nony tonga ny andro hahaterahany, indreo nisy zaza kambana tao an-kibony. Dia teraka ny voalohany ka mena; tahaka ny akanjo volom-biby ny tenany manontolo ka nataony hoe Esao ny anarany. Taorianan’izay dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tanany nihazona ny voditongotr’i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy mirahalahy ireo. Dia nitombo ireo zaza ireo. I Esao dia lehilahy nahay nihaza, mpandehandeha any an-tsaha, fa i Jakoba kosa dia lehilahy tso-piaina sady mpitoetra an-tranolay. Ary Isaka dia tia an’i Esao satria nankafy ny hazany izy; fa i Rebeka kosa dia tia an’i Jakoba. Indray andro, raha nahandro sakafo i Jakoba, dia tonga avy tany an-tsaha i Esao ka reraka. Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma. Hoy anefa ny navalin’i Jakoba azy: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. Hoy kosa i Esao: Indro, ho faty ihany aho; koa misy antony inona amiko izay fizokiana? Hoy i Jakoba: Mianiàna amiko ary aloha. Dia nianiana taminy izy ka namidiny tamin’i Jakoba ny fizokiany. Ary nanome mofo sy voanemba masaka an’i Esao i Jakoba. Dia nihinana sy nisotro izy ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany. Ary nisy mosary indray teo amin’ny tany, ankoatra ilay mosary voalohany fony fahavelon’i Abrahama. Ary Isaka dia nankany amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, tany Gerara. Niseho taminy NY TOMPO ka niteny hoe: Aza midina any Ejipta ianao fa mitoera eo amin’ny tany izay holazaiko aminao. Mivahinia eto amin’ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho. Fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto ka hotanako ny fianianana izay nataoko tamin’i Abrahama rainao. Hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Aho ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto. Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria i Abrahama dia nihaino ny feoko ka nitandrina ny didiko sy ny fitsipiko ary ny lalànako izay nasaiko notandremany. Dia nitoetra tany Gerara Isaka. Ary nanontany azy ny amin’ny vadiny ny lehilahy tompon-tany ka hoy izy: Anabaviko izy. Fa natahotra izy hilaza hoe Vadiko izy, fandrao hamono azy ny lehilahy tompon-tany noho i Rebeka, satria tsara tarehy Ravehivavy. Rehefa nitoetra ela teo izy dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa indro, nisangy tamin’i Rebeka vadiny Isaka. Dia niantso an’Isaka i Abimeleka ka niteny hoe: Hita mihitsy fa vadinao izy, koa nahoana no nolazainao hoe Anabaviko izy? Dia hoy Isaka taminy: Satria hoy aho anakampo hoe: Fandrao ho faty noho ny aminy aho. Hoy i Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin’ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao! Dia nandidy ny vahoaka rehetra i Abimeleka hoe: Izay mikasika an’io lehilahy io na ny vadiny dia hovonoina ho faty! Ary Isaka dia namafy tamin’izany tany izany ka nahazo zato heny satria notahin’NY TOMPO izy. Dia tonga nanankarena Ralehilahy ka nitombo harena hatrany ka tena tonga mpanankarena be. Nahangona fananana be izy, dia ondry aman’osy sy omby ary mpanompo maro, hany ka nialona azy ny Filistina. Ary ny lavaka fantsakana rehetra izay nohadin’ny mpanompon’ny rainy fony fahavelon’i Abrahama rainy, dia notampenan’ny Filistina ka nototofany tany avokoa. Ary hoy i Abimeleka tamin’Isaka: Mialà eto aminay fa mahery lavitra noho izahay ianao. Dia niala teo Isaka ka nanorina ny tranolainy tao an-dohasahan’i Gerara ary nonina tao. Nolavahan’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, satria notampenan’ny Filistina ireny nony maty i Abrahama. Nomeny anarana araka ny anarana izay nomen’ny rainy azy ihany ireny. Dia mbola nihady lavaka teo amin’ny lohasaha ihany koa ny mpanompon’Isaka ka nahita loharano velona tao. Kanjo niady tamin’ny mpiandry ondrin’Isaka ny mpiandry ondry tao Gerara ka niteny hoe: Anay ny rano! Noho izany dia nataon’Isaka hoe Eseka, ny anaran’ilay lavaka fantsakana, satria nifandìtra taminy izy ireo. Nihady lavaka fantsakana hafa indray koa izy, nefa niadiana indray io; koa nataony hoe Sitna ny anarany. Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa indray, fa io kosa tsy mba niadiana; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Nomen’NY TOMPO toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eto amin’ny tany. Dia niakatra niala teo Isaka ka nankany Bery-Sheba. Ary NY TOMPO niseho taminy tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko. Dia nanorina alitara teo izy ary niantso ny anaran’NY TOMPO sady nanorina ny tranolainy teo koa; dia nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’Isaka. I Abimeleka mbamin’i Ahozata sakaizany sy i Pikola, mpitarika ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin’Isaka. Nefa hoy Isaka taminy: Nahoana indray ianareo no mankaty amiko, kanefa mankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy hiala teo aminareo? Dia hoy izy ireo: Hitanay marimarina fa momba anao NY TOMPO, koa hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nikasihanay anao akory sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, satria navelanay handeha soa amantsara ianao. Efa notahin’NY TOMPO ianao ankehitriny. Dia nanao fanasana ho azy Isaka ka nihinana sy nisotro izy ireo. Avy eo dia nifoha vao maraina izy ireo ka nifampianiana. Dia navelan’Isaka handeha izy ireo ka lasa nody soa amantsara. Tamin’izany andro izany dia avy ny mpanompon’Isaka ka nanambara taminy ny amin’ny lavaka fantsakana izay nohadiny sady niteny taminy hoe: Nahita rano izahay! Nataony hoe Sheba ny anaran’io toerana io. Izany no niantsoana ny anaran’ny tanàna hoe Bery-Sheba mandraka androany. Efapolo taona i Esao raha nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery hetita, sy i Basemata, zanakavavin’i Elona hetita. Nangidy tamin’Isaka sy i Rebeka loatra anefa izany. Rehefa antitra Isaka sady pahina ny masony ka tsy nahita intsony dia niantso an’i Esao lahimatoany izy ka niteny taminy hoe: Anaka! Ary hoy izy taminy: Inty aho! Dia hoy izy: Indro, efa antitra aho ka tsy fantatro izay andro hahafatesako. Koa ankehitriny, miangavy anao aho, raiso ny fiadianao, dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha ka mitondrà haza ho ahy. Anamboary sakafo matsiro araka ilay tiako iny aho, dia ento atỳ amiko hohaniko mba hitsofako rano anao, dieny tsy mbola maty aho. Ren’i Rebeka ny tenin’i Isaka tamin’i Esao zanany lahy. Dia lasa nankany an-tsaha i Esao nitady haza hoentiny mody. Ary niteny tamin’i Jakoba zanany i Rebeka hoe: Indro, reko ny rainao niteny tamin’i Esao rahalahinao hoe: Itondray haza aho ka anamboary sakafo matsiro hohaniko; dia hitsodrano anao eo anatrehan’NY TOMPO aho, dieny tsy mbola maty. Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’izay asaiko ataonao: Mankanesa any amin’ny ondry aman’osy ka akao zanak’osy roa tsara aho hanamboarako sakafo matsiro ho an’ny rainao, araka ilay tiany. Hoentinao any amin’ny rainao hohaniny io mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy. Hoy anefa i Jakoba tamin’i Rebeka reniny: Indro, i Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, nefa izaho kosa dia lehilahy malambo hoditra. Mety hitsapa ahy Ikaky, dia ho toy ny mpisandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko izany fa tsy tsodrano! Hoy reniny taminy: Aoka ho amiko, anaka, ny ozona tokony ho anao, fa araho ihany ny teniko ka mandehana, ento atỳ amiko ny zanak’osy. Dia nandeha izy ka naka izany ary noentiny teo amin’ny reniny; ny reniny kosa nanamboatra sakafo matsiro araka ilay tian’ny rainy. Ary nalain’i Rebeka ny fitafian’i Esao lahimatoany, dia ny tsara indrindra izay notahiriziny tao an-trano, ka natafiny an’i Jakoba zanany faralahy. Nofonosiny ny hoditry ny zanak’osy ny tanany sy ny malambolambo amin’ny vozony. Dia natolony teo an-tanan’i Jakoba zanany ny sakafo matsiro sy ny mofo izay namboariny. Ary nankeo amin’ny rainy i Jakoba ka niteny hoe: Ry Ikaky ô! Dia hoy izy: Inty aho! Iza moa ianao, anaka? Hoy i Jakoba tamin’ny rainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanatanteraka izay nasainao nataoko aho. Miangavy anao aho, miarena re, dia mipetraha ka hano ny hazako mba hitsofanao rano ahy. Fa hoy Isaka tamin’ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Dia hoy izy: Satria NY TOMPO Andriamanitrao no nampahazo ahy. Hoy ihany Isaka tamin’i Jakoba: Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na i Esao zanako tokoa ianao, na tsia. Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao. Nefa tsy nahafantatra azy izy satria voloina tahaka ny tanan’i Esao rahalahiny ny tanany; dia notsofiny rano izy. Ary hoy izy: Ianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy. Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofako rano anao. Dia narosony teo anoloany izany ka nihinana izy; ary nitondrany divay izy dia nisotro. Hoy indray Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely hoe manoroka ahy, anaka! Dia nanatona izy ka nanoroka azy. Ary nandre ny fofon’ny fitafiany Isaka dia nitsodrano azy hoe: E! Ny fofon’ny zanako dia tahaka ny fofon’ny saha izay notahin’NY TOMPO. Hanomezan’Andriamanitra anao anie ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany ary vary sy ranom-boaloboka betsaka! Hanompo anao anie ny firenena maro ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samihafa! Ho tompo amin’ny rahalahinao anie ianao ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao ary hohasoavina anie izay manisy soa anao! Rehefa vita ny fitsofan-drano nataon’Isaka an’i Jakoba ka vao nidify teo anatrehan’Isaka rainy izy dia niditra kosa i Esao rahalahiny avy nihaza. Izy koa dia efa nanamboatra sakafo matsiro ka nitondra izany teo amin’ny rainy. Dia hoy izy tamin’ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin’ny hazan’ny zanany mba hitsofanao rano ahy! Fa hoy Isaka rainy taminy: Fa iza indray moa ianao? Hoy izy: Izaho no i Esao zanakao lahimatoa! Toran-kovitra be Isaka ka niteny hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra izany teto amiko teo? Nihinana tamin’izany rehetra izany aho fony tsy mbola tonga ianao ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy! Raha vao ren’i Esao ny tenin’ny rainy dia niantsoantso mafy dia mafy izy sady niteny taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, eny, izaho koa, ry Ikaky ô! Hoy rainy: Tonga teo ny rahalahinao nisandoka ka nahalasa ny tsodranonao. Dia hoy i Esao: Moa tsy Jakoba va no anarany? Efa namingana ahy indroa izy izao: Ny fizokiako dia nalainy; ary indro, ankehitriny, lasany koa ny tsodranoko! Hoy ihany izy: Tsy mba nahatahiry tsodrano ho ahy va ianao? Namaly Isaka ka niteny tamin’i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, fa ny rahalahiny rehetra dia nataoko ho mpanompony; vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no azoko atao aminao, anaka? Hoy i Esao tamin’ny rainy: Tsy manana afa-tsy tsodrano tokana va ianao, ry Ikaky? Mba tsofy rano re aho, izaho koa, ry Ikaky ô! Sady nidradradradra nitomany i Esao. Nefa namaly azy Isaka rainy hoe: Indro, ho lavitry ny tsiron’ny tany ny fonenanao, ary ho lavitry ny andon’ny lanitra avy any ambony. Ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha tonga amin’izay andro hahafahanao, dia hotapahinao ny ziogany hiala amin’ny vozonao. Ary nankahala an’i Jakoba i Esao noho ny tsodrano izay nomen’ny rainy azy. Dia hoy i Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’Ikaky ka hovonoiko i Jakoba rahalahiko. Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao. Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko. Mitoera andro vitsivitsy any aminy mandra-pahafaka ny fahatezeran’ny rahalahinao; eny, rehefa afaka ny fahatezeran’ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia handefa iraka hampaka anao any aho. Fa hataoko ahoana no ho famoy anareo mirahalahy indray andro? Ary hoy i Rebeka tamin’Isaka: Tsy te ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita ireny. Koa raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita, tahaka ireto zazavavy tompon-tany ireto i Jakoba, dia inona indray no anton’ny hahavelomako? Ary niantso an’i Jakoba Isaka ka nitsodrano azy sy namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita ianao. Miaingà ka mankanesa any Padana-Arama, any amin’ny tranon’i Betoela rain’ny reninao, dia makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao. Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao mba ho tonga firenena maro ianao! Homeny anao anie ny fitahiana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahiniananao izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama! Ary nampandeha an’i Jakoba Isaka ka lasa izy nankany Padana-Arama ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela arameana, anadahin’i Rebeka, renin’i Jakoba sy i Esao. Ary hitan’i Esao fa efa nitsodrano an’i Jakoba Isaka ka nampandeha azy ho any Padana-Arama haka vady any; hitany koa fa rehefa nitsodrano azy izy dia namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita; hitany fa nanaraka ny tenin’ny ray aman-dreniny i Jakoba ka lasa nankany Padana-Arama. Ary satria hitan’i Esao tokoa fa ratsy teo imason’Isaka rainy ny zanakavavin’ny Kananita, dia lasa izy nankany amin’Ismaela ka naka vady an’i Mahalata, zanakavavin’Ismaela, zanak’i Abrahama, sady anabavin’i Nebaiota, ho fanampin’ny vady izay efa nananany. Dia niala tany Bery-Sheba i Jakoba ka nankany Harana. Tonga teo amin’ny toerana iray izy ka nandry teo nandritra ny alina satria efa maty ny masoandro. Naka vato iray tamin’izany toerana izany izy ka nataony ondana, dia nandry teo izy. Ary nanonofy izy hoe: Indro, nisy tohatra nitsangana tamin’ny tany ka ny lohany dia nipaka tamin’ny lanitra; ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina tamin’izany. Ary indro NY TOMPO nitsangana teo amboniny ka niteny hoe: Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama rainao sy Andriamanitr’Isaka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao. Ny taranakao dia ho tahaka ny vovoka amin’ny tany; hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao. Aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Ary indro Aho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity. Tsy handao anao Aho mandra-pahatanterako izay voalazako taminao. Rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakoba dia niteny hoe: Eto amin’ity toerana ity tokoa NY TOMPO fa izaho no tsy nahalala! Dia raiki-tahotra izy ka niteny hoe: Endre, mahatahotra ity toerana ity! Tsy hafa ity fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra! Ary nifoha vao maraina i Jakoba dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangambato dia nandraraka diloilo taminy. Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna teo aloha. Dia nivoady i Jakoba ka niteny hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’izao lalana alehako izao, sady hanome ahy mofo hohaniko sy akanjo hitafiako, ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro, ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity dia ho tranon’Andriamanitra, koa amin’izay rehetra homenao ahy dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony. Dia niainga i Jakoba ka nankany amin’ny tanin’ny zanaky ny Atsinanana. Dia nahita lavaka fantsakana iray tany an-tsaha izy; ary indro, nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ondry aman’osy. Nisy vato lehibe teo am-bavan’ny fantsakana. Teo no nangonina ny andian’ondry aman’osy rehetra, dia nakodia hiala amin’ny vavan’ny fantsakana ny vato ka nampisotroina ny ondry aman’osy; avy eo dia averina ho amin’ny toerany eo am-bavan’ny fantsakana indray ny vato. Hoy i Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Hoy ireo: Avy any Harana izahay. Dia hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va i Labana, zanakalahin’i Nahora? Hoy ireo: Fantatray izy. Hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy ireo: Tsara ihany izy! Ary indro, tamy Rahely zanany vavy mitondra ny ondry aman’osy. Hoy indray izy: Mbola antoandrobe ny andro ka tsy mbola fotoana famoriana ny omby aman’ondry izao; ampisotroy ny ondry aman’osy ka mandehana, andraso izy. Hoy ireo: Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ondry aman’osy rehetra ka akodia ny vato hiala amin’ny vavan’ny fantsakana; dia izay vao mampisotro ny ondry aman’osy izahay. Raha mbola niteny tamin’izy ireo i Jakoba dia indro tamy Rahely nitondra ny ondry aman’osin’ny rainy; fa mpiandry ondry izy. Rehefa hitan’i Jakoba Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ny vavan’ny fantsakana, ary nampisotro ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny. Ary nanoroka an’i Rahely i Jakoba dia nigogogogo nitomany. Dia nambaran’i Jakoba tamin’i Rahely fa havan’ny rainy sy zanak’i Rebeka izy. Dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin’ny rainy. Rehefa ren’i Labana ny filazany an’i Jakoba, zanak’anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’i Jakoba tamin’i Labana izany rehetra izany. Ary hoy i Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary nitoetra tao aminy nandritra ny iray volana i Jakoba. Fa hoy i Labana tamin’i Jakoba: Moa na dia havako aza va ianao dia hanompo ahy maina? Lazao amiko izay tokony ho karamanao. I Labana moa dia nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ny zokiny ary Rahely ny zandriny. I Lea dia nalefa-pijery fa Rahely kosa dia bikana sady tsara tarehy. Ary i Jakoba dia tia an’i Rahely ka niteny hoe: Aoka aho hanompo anao fito taona noho ny amin’i Rahely, zanakao faravavy. Dia hoy i Labana: Aleoko omena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa. Koa mitoera eto amiko. Dia nanompo an’i Labana fito taona i Jakoba noho ny amin’i Rahely. Toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy. Ary hoy i Jakoba tamin’i Labana: Omeo ahy ny vadiko mba hiarahako aminy, fa efa tapitra ny fe-potoana! Dia nampamory ny tompon-tany rehetra ary i Labana ka nanao fanasana. Kanjo nony hariva dia naka an’i Lea zanany vavy izy ka nitondra azy ho any amin’i Jakoba; dia nanambady azy i Jakoba. Tamin’io dia nomen’i Labana an’i Lea zanany vavy i Zilpa mpanompovaviny hanompo azy. Nony maraina ny andro, indro, hay i Lea ilay izy! Dia hoy i Jakoba tamin’i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Koa nahoana no nofitahinao aho? Fa hoy i Labana: Tsy fanao atỳ amin’ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny. Tanteraho ny herinandron’ity iray ity dia homenay anao koa ny iray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray. Nataon’i Jakoba izany ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’i Labana azy koa Rahely zanany vavy ho vadiny. Ary nomen’i Labana an’i Rahely zanany vavy kosa i Bila mpanompovaviny hanompo azy. Dia novadin’i Jakoba koa Rahely; izy no tiany mihoatra noho i Lea ka nanompo an’i Labana fito taona indray izy. Rehefa hitan’NY TOMPO fa nankahalaina i Lea dia nampanana anaka azy Izy, fa Rahely kosa dia momba. Dia nanana anaka i Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nahita ny fahoriako NY TOMPO, fa ankehitriny dia ho tian’ny vadiko aho. Dia nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy izy: Satria ren’NY TOMPO fa nankahalaina aho ka nomeny ahy koa ity. Dia nataony hoe Simeona ny anarany. Dia nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hifikitra amiko ny vadiko satria niteraka zazalahy telo ho azy aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Levy. Dia nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy izy: Ankehitriny, hidera NY TOMPO aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Joda. Dia nitsaha-jaza izy. Rehefa hitan’i Rahely fa tsy mba niteraka tamin’i Jakoba izy dia nialona ny rahavaviny izy ka hoy izy tamin’i Jakoba: Mba omeo zaza aho fa raha tsy izany dia ho faty! Dia nirehitra tamin’i Rahely ny fahatezeran’i Jakoba ka hoy izy: Solon’Andriamanitra izay nahamomba anao tsy hiteraka va aho? Ary hoy Rahely: Indro i Bila mpanompovaviko, vadio izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba hahazoako zaza amin’ny alalany. Dia nomeny azy i Bila mpanompovaviny ho vadiny dia novadin’i Jakoba koa. Dia nanana anaka i Bila ka niteraka zazalahy tamin’i Jakoba. Ary hoy Rahely: Andriamanitra nanome rariny ahy sady nihaino ny feoko ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. Dia nanana anaka indray i Bila, mpanompovavin’i Rahely, ka niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba. Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany. Rehefa hitan’i Lea fa nitsaha-jaza izy tenany dia naka an’i Zilpa mpanompovaviny izy ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa io. Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’i Jakoba. Ary hoy i Lea: Manan-jara re aho! Dia nataony hoe Gada ny anarany. Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba. Ary hoy i Lea: Sambatra aho, fa hataon’ny zanakavavin’ny olona hoe Sambatra aho. Dia nataony hoe Asera ny anarany. Ary nandeha nitsangantsangana i Robena tamin’ny fotoana fijinjam-barimbazaha dia nahita dodaima tany an-tsaha ka nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Mba anomezo amin’ny dodaiman’ny zanakao re aho! Fa hoy i Lea taminy: Tsy ampy anao va ny nakanao ny vadiko no halainao koa ny dodaiman’ny zanako? Dia hoy Rahely: Aoka ary izy handry aminao ihany anio alina ho takalon’ny dodaiman’ny zanakao. Nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba, dia avy nitsena azy i Lea ka niteny hoe: Atỳ amiko no halehanao; fa karamako tamin’ny dodaiman’ny zanako tokoa ianao. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny. Ary Andriamanitra nihaino an’i Lea ka nanana anaka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba. Dia hoy i Lea: Efa nomen’Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin’ny vadiko ny mpanompovaviko. Dia nataony hoe Isakara ny anarany. Dia nanana anaka indray i Lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin’i Jakoba. Ary hoy i Lea: Notoloran’Andriamanitra fanomezana soa aho; amin’izao vao hitoetra amiko ny vadiko fa niteraka enin-dahy taminy aho. Dia nataony hoe Zebolona ny anarany. Rehefa afaka izany dia niteraka zazavavy izy ka nataony hoe Dina ny anarany. Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Rahely ka nihaino azy ary nampanana anaka azy. Nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Dia hoy izy: Nahafa-tondro-maso ahy Andriamanitra. Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: NY TOMPO anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa. Rehefa niteraka an’i Josefa Rahely dia hoy i Jakoba tamin’i Labana: Avelao aho handeha any amin’ny fonenako sy ny taniko. Omeo ahy ny vady aman-janako izay nanompoako anao fa handeha aho; fantatrao ny fanompoana izay nefaiko ho anao. Dia hoy i Labana taminy: Miangavy anao re, aoka mba hahita fitia eo imasonao aho. Nitady famantarana aho ka fantatro fa avy taminao no nitahian’NY TOMPO ahy. Hoy koa izy: Tonòny izay ho karamanao, dia homeko anao. Hoy i Jakoba taminy: Fantatrao ny nanompoako anao sy ny nitomboan’ny omby aman’ondrinao teo am-pelatanako, fa kely ny fanananao fony tsy mbola tonga aho, nefa nitombo be dia be izany; ary efa nitahy anao NY TOMPO tamin’ny diako rehetra. Koa ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko? Hoy i Labana: Inona ary no homeko anao? Dia hoy i Jakoba: Aza manome ahy na inona na inona ianao. Raha ataonao amiko izao zavatra manaraka izao dia mbola hanohy hiandry sy hitandrina ny ondry aman’osinao ihany aho: Handeha hitety ny ondry aman’osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin’ny ondry kely ary ny sada sy ny mara amin’ny osy. Ireny no ho karamako. Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ny ho avy rehefa tonga ianao handinika ny karamako: Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ny zanak’ondry, dia ho nangalariko. Dia hoy i Labana: Eny ary, aoka ho araka ny teninao. Dia navahany tamin’izany andro izany ny osilahy vandana sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra tamin’ny ondry, dia natolony teo an-tanan’ireo zanany lahy. Ary nasiany lalan-kateloana teo anelanelan’izy sy i Jakoba izay mbola niandry ny ondry aman’osin’i Labana sisa. Ary naka tsorakazo maro tamin’ny hazo kesika mbola maitso sy tamin’ny hazo amanda sy tamin’ny hazo platana i Jakoba ka nataony ofy vandana ireny hisehoan’ny fotsy izay tamin’ny tsorakazo. Dia napetrany teo anoloan’ny ondry aman’osy, tao anatin’ny fampisotroan-drano, ireny tsorakazo voavaofiny ireny, tao anatin’ny fampisotroan-drano izay nalehan’ny ondry aman’osy hisotro; nikambana teo ny lahy sy ny vavy raha avy hisotro rano. Nikambana tandrifin’ny tsorakazo ny ondry aman’osy ka niteraka vandana sy mara ary sada. Dia navahan’i Jakoba ny zanak’ondry, fa ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin’ny ondry aman’osin’i Labana; avy eo natokany izay ondry aman’osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin’ny ondry aman’osin’i Labana. Isaky ny miray ny ondry aman’osy matanjaka dia napetrak’i Jakoba tao anatin’ny fampisotroan-drano teo anoloan’ny mason’ny ondry aman’osy ireny tsorakazo ireny mba hiraisany eo anilan’ny tsorakazo. Fa raha osaosa kosa ny ondry aman’osy dia tsy mba napetrany teo ireny, koa ny osaosa no an’i Labana fa ny matanjaka kosa an’i Jakoba. Nitombo harena aoka izany Ralehilahy ka nanana ondry aman’osy betsaka ary mpanompovavy sy mpanompolahy ary rameva sy boriky. Fa ren’i Jakoba ny resaky ny zanakalahin’i Labana hoe: Lasan’i Jakoba avokoa izay rehetra ananan’ny raintsika; avy tamin’ny fananan’ny raintsika no nahazoany ireo harena rehetra ireo. Ary hitan’i Jakoba ny tarehin’i Labana fa tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha intsony. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Jakoba: Modia any amin’ny tanin’ny razanao sy any amin’ny havanao, fa homba anao Aho. Ary i Jakoba dia nampiantso an’i Rahely sy i Lea izay tany an-tsaha, teo amin’ny ondry aman’osiny, ka niteny tamin’izy ireo hoe: Hitako ny tarehin’ny rainareo fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; nefa Andriamanitry ny raiko no nomba ahy. Fantatrareo fa tamin’ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo, kanefa ny rainareo no namitaka ahy ka nanova ny karamako impolo; tsy navelan’Andriamanitra hahatonga loza tamiko anefa izy. Raha nilaza izy hoe: Ny mara rehetra no ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman’osy rehetra; raha nilaza indray izy hoe: Ny sadika rehetra no ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman’osy rehetra. Dia nalain’Andriamanitra ny fananan’ny rainareo ka nomeny ahy. Ary tamin’ny fotoana izay nikambanan’ny ondry aman’osy dia natopiko ny masoko ka hitako tamin’ny nofy fa indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ny ondrivavy sy ny osivavy. Ary hoy ilay Anjelin’Andriamanitra tamiko tamin’ny nofy: Ry Jakoba! Dia hoy aho: Inty aho! Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ny ondrivavy sy ny osivavy, satria hitako izay rehetra nataon’i Labana taminao. Izaho no Andriamanitr’i Betela izay nanosoranao tsangambato sy nanaovanao voady. Miaingà ankehitriny hiala amin’ity tany ity ka miverena any amin’ny tanin’ny razanao. Dia namaly azy Rahely sy i Lea hoe: Mbola misy anjara lova ho anay va ao an-tranon’ny rainay? Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa namidiny izahay sady nohaniny hatrany ny volanay rehetra. Fa ny harena rehetra izay nalain’Andriamanitra tamin’ny rainay dia anay sy an’ny zanakay. Koa ankehitriny, izay rehetra nolazain’Andriamanitra taminao dia ataovy. Dia niainga i Jakoba ka nampitaingeniny rameva ireo zanany sy ireo vadiny. Noentiny nandeha ny ombiny sy ny ondry aman’osiny rehetra, mbamin’ny fananana rehetra izay nohariny, dia ny omby aman’ondry izay azony tany Padana-Arama. Niainga izy mba hankany amin’Isaka rainy any amin’ny tany Kanana. Ary raha lasa nandeha hanety ny ondry aman’osiny i Labana dia nangalarin’i Rahely ireo terafiman’ny rainy; satria nangala-dia tamin’i Labana siriana i Jakoba fa tsy nambarany taminy ny amin’ny handosirany. Nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; niainga izy ka nita ny ony Eofrata, ary nizotra hankany amin’ny tendrombohitra any Gileada. Tamin’ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin’i Labana fa lasa nandositra i Jakoba. Dia nitondra ny havany hiaraka aminy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana ary nahatratra azy tany amin’ny tendrombohitra any Gileada. Fa Andriamanitra nankao amin’i Labana arameana tamin’ny nofy nony alina ka niteny taminy hoe: Tandremo mba tsy hiteny na inona na inona amin’i Jakoba ianao. Ary nahatratra an’i Jakoba i Labana. Efa nanorina ny tranolainy tany an-tendrombohitra i Jakoba; i Labana sy ny havany kosa dia nanorina ny tranolainy tany amin’ny tendrombohitra any Gileada. Ary hoy i Labana tamin’i Jakoba: Inona izao ataonao izao no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra? Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko? Tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin’ny fifaliana sy ny hira, amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga, sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako lahy sy ny zanako vavy aho. Nahavita hadalana ianao izao. Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; nefa Andriamanitry ny rainareo no niteny tamiko alina hoe: Tandremo mba tsy hiteny na inona na inona amin’i Jakoba ianao. Koa ankehitriny, raha handeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ny rainao, nahoana no nangalarinao ireo andriamanitro? Dia namaly an’i Labana i Jakoba hoe: Satria natahotra aho ka niteny anakampo hoe: Angamba halainao an-keriny amiko ireo zanakao vavy. Izay hahitanao ireo andriamanitrao indray dia aoka tsy ho velona. Eto anatrehan’ny havantsika, savao izay ato amiko ka ento ny anao. Tsy fantatr’i Jakoba anefa fa Rahely no nangalatra azy. Ary niditra tao an-dain’i Jakoba sy tao an-dain’i Lea ary tao an-dain’ny mpanompo roa vavy i Labana nefa tsy nahita. Dia niala tao an-dain’i Lea izy ka niditra tao an-dain’i Rahely. Rahely anefa efa naka ny terafima ka nanao azy tao anatin’ny laselin’ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Nikaroka nanerana ny tranolay manontolo i Labana fa tsy nahita. Hoy Rahely tamin’ny rainy: Azafady, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho satria azon’ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy nefa tsy nahita ny sampy. Dia tezitra i Jakoba ka nifamaly tamin’i Labana. Hoy izy tamin’i Labana hoe: Inona no heloko? Inona no otako no nilomay nanenjika ahy ianao? Efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan’ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy. Roapolo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao dia tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ny ondrinao aho. Izay voaviraviram-biby dia tsy mba nentiko tany aminao fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro na ny nangalarina alina. Nony antoandro dia matin’ny hainandro aho, nony alina dia matin’ny fanala, ary nandositra ny masoko ny torimaso. Roapolo taona izao no nitoerako tany an-tranonao ka efatra amby folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’osinao; efa nanova ny karamako impolo ianao. Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’i Abrahama, ilay natahoran’Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako ka nananatra anao alina. Dia namaly i Labana hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy; ireo zazalahy ireo dia zanako lahy; ireo ondry aman’osy ireo dia ondry aman’osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Koa inona no hataoko anio amin’ireto zanako vavy, na amin’ireto zanany naterany? Koa ankehitriny, andeha hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, koa aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany. Dia naka vato iray i Jakoba ka nanangana azy ho tsangambato. Ary hoy i Jakoba tamin’ireo havany: Manangòna vato. Dia naka vato izy ireo ka nataony antontany; dia nisakafo teo anilan’ny antontam-bato izy rehetra. Ary ny anaran’ny antontam-bato dia nataon’i Labana hoe Jegara-Sahadota, fa i Jakoba kosa dia niantso azy hoe Galeda. Ary hoy i Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda. Nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: NY TOMPO no hitazana ahy sy ianao rehefa tsy mifankahita isika. Raha toa ka mampahory ireo zanako vavy ianao, na manambady ankoatra ireo zanako vavy ireo ary tsy misy olona vavolombelona eto amintsika, dia tandremo fa Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao. Hoy ihany i Labana tamin’i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangambato ity izay naoriko eto anelanelantsika, dia amiko sy aminao. Ity antontam-bato ity dia vavolombelona, ary ity tsangambato ity dia vavolombelona, mba tsy hihoatra ity antontam-bato ity hankany aminao aho, ary ianao kosa dia tsy mba hihoatra ity antontam-bato ity sy ity tsangambato ity hankaty amiko hanisy ratsy ahy. Ny andriamanitr’i Abrahama sy ny andriamanitr’i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’izy mirahalahy, anie no hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’Isaka rainy kosa no nianianan’i Jakoba. Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra i Jakoba ka nanasa ny havany mba hisakafo; dia nisakafo izy ireo ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina. Ary nifoha vao maraina i Labana dia nanoroka ny zanany lahy sy ny zanany vavy ka nitsodrano azy, dia lasa nandeha nody any amin’ny fonenany. I Jakoba kosa raha nizotra tamin’ny lalan-kalehany dia indreo, nisy anjelin’Andriamanitra nitsena azy. Ary hoy i Jakoba raha nahita azy ireo: Tobin’Andriamanitra ity! Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Mahanaima. Ary nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Esao rahalahiny, any Seìra, tanin’i Edoma i Jakoba. Nanome teny azy ireo anefa izy hoe: Izao no holazainareo amin’i Esao tompoko: Izao no tenin’i Jakoba mpanomponao: Nivahiny tany amin’i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny; manana omby, boriky, ondry aman’osy ary mpanompolahy aho; mandefa iraka hanambara aminao aho, tompokolahy, mba hahitako fitia eo imasonao. Rehefa niverina tany amin’i Jakoba ireo iraka dia niteny hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efajato lahy. Dia natahotra indrindra i Jakoba ary nangitakitaka. Nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin’ny ondry aman’osy sy ny omby ary ny rameva. Fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ny antokony iray i Esao ka mamely azy dia handositra kosa ny antokony iray. Ary hoy i Jakoba: E! Andriamanitr’i Abrahama raiko sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia NY TOMPO izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho! Tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao aho; tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity, nefa ankehitriny, efa tonga toby roa aho. O! Vonjeo amin’ny tanan’ny rahalahiko aho, dia amin’ny tanan’i Esao! Fa matahotra azy aho, fandrao avy hamely ahy sy ny vady aman-janako izy. Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. Dia nitoetra teo izy tamin’iny alina iny. Naka tamin’izay teo an-tanany izy mba hampanaterina ho an’i Esao rahalahiny, dia osivavy roanjato sy osilahy roapolo, ondrivavy roanjato sy ondrilahy roapolo, rameva telopolo mampinono, vantotra ombivavy efapolo sy vantotra ombilahy folo, borikivavy roapolo ary zana-boriky folo. Dia natolony teo an-tanan’ny mpanompony ireny, notsinjarainy isan-toko; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana eo alohako ary asio elanelany isaky ny toko. Dia nanome teny ny voalohany izy hoe: Raha mifanena aminao i Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An’iza ianao ary hankaiza moa? Ary an’iza ireo alohanao ireo? Dia lazao hoe: An’i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an’ny tompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aoriananay ao. Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy sy izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko hoe: Araka izany teny izany no lazao amin’i Esao rehefa hitanareo izy. Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho! Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io. Dia nitsangana tamin’iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany lahy iraika amby folo, dia nita tamin’ny fitàna tao Jaboka. Naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ny renirano ary nampitainy koa ny fananany. Ary i Jakoba irery no sisa nitoetra teo. Dia nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-pahatongan’ny andro ho mazava ratsy. Rehefa hitan’ilay lehilahy fa tsy naharesy an’i Jakoba Izy dia nokapohiny ny foto-pen’i Jakoba ka nivika, tamin’izy nitolona Taminy iny. Dia hoy Izy: Avelao Aho handeha fa efa mazava ratsy ny andro. Fa hoy kosa i Jakoba: Tsy avelako handeha Ianao raha tsy tahinao aho. Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Jakoba. Hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely satria nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nahery. Dia nanontany i Jakoba hoe: Miangavy Anao aho, mba lazao izay anaranao! Ary hoy Izy: Nahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy. Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataon’i Jakoba hoe Peniela fa hoy izy: Nahita an’Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko. Dia niposaka taminy ny masoandro raha niala teo Peniela izy, ary nandringa izy noho ny feny. Izany no tsy ihinanan’ny Zanak’Israely ny hozatry ny tonon-taolam-pe mandraka androany satria nikapoka ny foto-pen’i Jakoba teo amin’ny hozatry ny tonon-taolany Izy. Ary nanopy ny masony i Jakoba ka nahatazana fa indro tamy i Esao, mitondra efajato lahy. Dia notsinjarainy ny zaza ho amin’i Lea sy Rahely ary ho amin’ny mpanompovavy roa. Nataony lohalalana ny mpanompovavy roa sy ny zanany, ary i Lea sy ny zanany no nanarakaraka, ary Rahely sy i Josefa no vodilalana. Ary nandeha teo alohan’izy rehetra i Jakoba ka niankohoka impito tamin’ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ny rahalahiny. Dia nihazakazaka nitsena azy i Esao ary nisakambina ny vozony, dia namihina sy nanoroka azy, ary samy nitomany izy mirahalahy. Rehefa nanopy ny masony i Esao ka nahita ny zaza amam-behivavy dia niteny hoe: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa i Jakoba: Ny zaza izay nomen’Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. Dia nanatona ny mpanompovavy sy ny zanany ka niankohoka. Nanatona koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, nanatona i Josefa sy Rahely ka niankohoka. Ary hoy i Esao: Inona moa no hevitr’ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Dia hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ny tompokolahy. Dia hoy i Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko! Aoka ihany ho anao ny anao. Hoy i Jakoba: Trara antitra ianao, aza miteny an’izany! Raha mba mahita fitia eto imasonao aho dia raiso avy amiko ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao tahaka ny mahita ny tavan’Andriamanitra aho sady efa nahita sitraka taminao. Trara antitra ianao, raiso re ny saotra avy amiko izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny zavatra rehetra aho. Dia nanery azy i Jakoba ka nandray ihany i Esao. Ary hoy i Esao: Aoka hiainga isika ka handeha eo anilanao aho. Hoy anefa i Jakoba taminy: Fantatrao, tompokolahy, fa mbola osa ny zaza sady mbola mampinono ny ondry aman’osy sy ny omby ato amiko; koa raha hoterena handeha mandritra ny indray andro ihany izy ireo dia ho faty avokoa ny ondry aman’osy rehetra. Trara antitra ianao, aoka Itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho kosa dia handeha miadana, araka izay dian’ny omby aman’ondry izay ho eo alohako sy ny dian’ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ny tompokolahy any Seìra. Dia hoy i Esao: Miangavy anao aho, aoka ary mba hisy havelako hiaraka aminao ny olona izay miaraka amiko. Hoy anefa i Jakoba: Inona no anton’izany? Aoka hahita fitia eto imason’Itompokolahy aho. Dia niverina androtr’izay ihany tamin’ny lalany ho any Seìra i Esao. Ary nifindra nankany Sokota i Jakoba ka nanorina trano ho an’ny tenany ary trano rantsan-kazo maromaro ho an’ny omby aman’ondriny. Izany no niantsoana ny anaran’io toerana io hoe Sokota. Tonga soa amantsara tao an-tanànan’i Sekema, izay eo amin’ny tany Kanana, i Jakoba, rehefa avy tany Padana-Arama. Dia nitoby tandrifin’ny tanàna izy. Dia novidiny kesita zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny tranolainy. Ary nanorina alitara teo izy ka nataony hoe El-Elohe-Israely ny anarany. Indray andro dia lasa i Dina, zanakavavin’i Lea naterany tamin’i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany. Ary nahita azy i Sekema, zanakalahin’i Hamora hivita, andriana tamin’izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy. Raiki-pitia tamin’i Dina, zanakavavin’i Jakoba, ny fony; eny, tia an-dRazazavavy izy ka niteny malefaka taminy. Ary niteny tamin’i Hamora rainy i Sekema hoe: Alao ho vadiko Razazavavy io. Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo. Roso nankany amin’i Jakoba ary i Hamora, rain’i Sekema, hidinika taminy. Rehefa tonga avy tany an-tsaha ireo zanak’i Jakoba ka nandre izany dia nalahelo sady tezitra mafy, satria nahavita izay fahadalana be teo amin’ny Israely i Sekema tamin’ny nandriany tamin’ny zanakavavin’i Jakoba. Zavatra tsy fanao izany. Ary nidinika tamin’ireo i Hamora hoe: I Sekema zanako lahy dia raiki-pitia amin’ny zanakareo vavy; koa miangavy anareo aho, mba omeo azy ho vadiny izy. Aoka hifanambady anaka isika: Omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakay vavy. Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; monena eo ary mivarota ao, dia ho isan’ny tompon-tany ianareo. Ary hoy i Sekema tamin’ny rain’i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko. Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy Razazavavy ho vadiko! Ary ireo zanak’i Jakoba dia namaly an’i Sekema sy i Hamora rainy tamin’ny fitaka sy hafetsena noho ny nandotoany an’i Dina anabaviny. Hoy izy ireo taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’izay lehilahy tsy voafora; fahavetavetana aminay izany! Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo dia homenay anareo ny zanakay vavy ary ny zanakareo vavy kosa dia halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay ka ho firenena iray isika. Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka tsy hoforana dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay. Nahafaly an’i Hamora sy i Sekema zanany ireo teniny ireo. Tsy nitaredretra ilay zatovo hanatanteraka izany zavatra izany satria naniry loatra ny zanakavavin’i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’izay rehetra tao an-tranon’ny rainy. Koa nankeo amin’ny vavahadin’ny tanànany i Hamora sy i Sekema zanany lahy dia niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany hoe: Ireo olona ireo dia mipetraka tsara eto amintsika ka aoka honina eto amin’ny tany sy hivarotra eto izy; fa indro ny tany dia malalaka eo anoloany! Halaintsika ho vady ny zanany vavy ary ny zanatsika vavy kosa dia homentsika azy. Nefa izao ihany no hanaovan’ireo lehilahy ireo fanekena amintsika ka hiarahantsika monina ho firenena iray: Mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. Tsy ho antsika va ny omby aman’ondriny sy ny fananany mbamin’ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy. Nanaiky ny tenin’i Hamora sy i Sekema zanany izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany. Noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany. Fa tamin’ny andro fahatelo, rehefa ilay nanaintaina mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy i Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra mora tao an-tanàna dia namono ny lehilahy rehetra tao. Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra koa i Hamora sy i Sekema zanany lahy, dia naka an’i Dina tao an-tranon’i Sekema izy ireo vao lasa nandeha. Ary nankeny amin’ny faty ny zanak’i Jakoba ka namabo ny tanàna noho ny nandotoan’i Sekema ny anabaviny. Nalainy avokoa ny ondry aman’osiny, ny ombiny sy ny borikiny mbamin’izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha; nobaboiny ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny ka nofaohiny avokoa mbamin’izay rehetra tany an-trano. Dia hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy i Levy: Nahatonga loza amiko ianareo, fa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita. Olom-bitsy anefa aho, koa hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; ary ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. Fa hoy kosa ireo: Moa va ny anabavinay havela hatao toy ny vehivavy janga? Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; manorena alitara any ho an’Andriamanitra izay niseho taminao, fony ianao nandositra an’i Esao rahalahinao. Dia hoy i Jakoba tamin’izay tao an-tranony mbamin’ireo rehetra niaraka taminy: Ario ireo andriamanitra izay ao aminareo dia midiova ary soloy ny fitafianareo. Andeha isika hiainga ka hiakatra any Betela; hanao alitara any aho ho an’Andriamanitra izay namaly ny vavaka nataoko tamin’ny andron’ny fahoriako sy nomba ahy tamin’ny lalana izay nalehako. Dia natolony an’i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ka nalevin’i Jakoba teo am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’i Sekema. Dia niainga ireo. Ary nisy tahotra avy amin’Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy ka tsy nisy nanenjika ny zanak’i Jakoba. Ary tonga tany Lozy na Betela, izay any amin’ny tany Kanana, i Jakoba, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. Nanorina alitara teo izy ka nataony hoe El-Betela no anaran’izany toerana izany satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny. Ary maty i Debora, mpitaiza an’i Rebeka, dia naleviny tao akaikin’i Betela, teo ambanin’ny hazo oaka iray; nataony hoe Alona-Bakota ny anaran’io. Ary Andriamanitra niseho indray tamin’i Jakoba rehefa tonga avy tany Padana-Arama izy ka nitahy azy. Hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa hatao hoe Israely. Dia nataony hoe Israely ny anarany. Hoy ihany Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Maroa fara sy mihabetsaha. Hisy firenena lehibe sy firenena maro hiseho avy aminao ary hisy mpanjaka maro avy amin’ny haterakao. Ny tany izay nomeko an’i Abrahama sy Isaka dia homeko anao ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin’ilay toerana niresahany taminy. Ary nanorina tsangambato teo amin’io toerana izay niresahany Taminy io i Jakoba ka nandraraka fanatitra aidina teo aminy sady nandraraka diloilo teo aminy koa. Ary ny anaran’ny tany izay niresahan’Andriamanitra taminy dia nataon’i Jakoba hoe Betela. Dia nifindra niala tany Betela izy. Nony efa kely foana sisa tsy nahatongavany tao Efrata dia nihetsi-jaza Rahely ary saro-piterahana. Rehefa narary am-piterahana toy izany izy dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao fa zazalahy ho anao koa ity! Rehefa niala aina Rahely satria ho faty izy dia nataony hoe Beny-Onỳ ny anaran’ny zaza; fa ny rainy kosa dia niantso azy hoe Benjamina. Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ny lalana mankany Efrata na Betlehema. Ary nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasany i Jakoba, dia ilay tsangambato izay mbola ao amin’ny fasan’i Rahely mandraka androany. Dia lasa nifindra Israely ka nanorina ny tranolainy tany ankoatra an’i Migdala-Edera. Rehefa nonina teo amin’izany tany izany Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Bila, vady tsindranon’ny rainy; ary ren’Israely izany. Roa amby folo mirahalahy ny zanakalahin’i Jakoba. Ny zanak’i Lea dia i Robena, lahimatoan’i Jakoba, i Simeona, i Levy, i Joda, Isakara ary i Zebolona; ny zanak’i Rahely kosa dia i Josefa sy i Benjamina; ny zanak’i Bila, mpanompovavin’i Rahely dia i Dana sy i Naftaly; ny zanak’i Zilpa, mpanompovavin’i Lea kosa dia i Gada sy i Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakoba izay naterany tany Padana-Arama. Ary i Jakoba dia nankany amin’Isaka rainy tany Mamre, any Kiriata-Arba na Hebrona, izay nivahinian’i Abrahama sy Isaka. Valopolo amby zato taona ny andro niainan’Isaka. Dia niala aina Isaka ka maty, ary nangonina any amin’ny razany izy rehefa tratra antitra sady ela niainana; dia nandevina azy i Esao sy i Jakoba zanany lahy. Ireto no taranak’i Esao na Edoma. I Esao dia naka vady tamin’ny zanakavavin’ny Kananita, dia i Ada, zanak’i Elona hetita, sy i Oholibama, zanak’i Ana, zanakavavin’i Zibona hivita, ary i Basemata, zanakavavin’Ismaela sady anabavin’i Nebaiota. I Ada dia niteraka an’i Elifaza tamin’i Esao; i Basemata dia niteraka an’i Regoela; i Oholibama dia niteraka an’i Jeosy sy i Jalama ary i Kora. Ireo no zanak’i Esao izay naterany tany amin’ny tany Kanana. Dia noentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny omby aman’ondriny sy ny biby fiompiny rehetra mbamin’ny fananany rehetra izay nohariny tany amin’ny tany Kanana ka lasa nankany amin’ny tany lavitra an’i Jakoba rahalahiny izy. Samy be loatra mantsy ny haren’izy mirahalahy ka tsy nahazo niara-monina izy; tsy omby azy ny tany fivahinianany, noho ny omby aman’ondriny. Koa nonina tany an-tendrombohitra Seìra i Esao na Edoma. Ireto no taranak’i Esao, razamben’ny Edomita any an-tendrombohitra Seìra. Ny anaran’ny zanakalahin’i Esao dia ireto avy: i Elifaza, zanak’i Ada, vadin’i Esao, sy i Regoela, zanak’i Basemata, vadin’i Esao. Ny zanakalahin’i Elifaza dia i Temana, i Omara, i Zefo, i Gatama ary i Kenaza. I Timna no vady tsindranon’i Elifaza, zanakalahin’i Esao; niteraka an’i Amaleka tamin’i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin’i Ada, vadin’i Esao. Ireto avy no zanakalahin’i Regoela: I Nahata, i Zera, i Sama ary i Miza. Ireo no zanakalahin’i Basemata, vadin’i Esao. Ireto kosa no zanakalahin’i Oholibama, zanakavavin’i Ana izay zanakavavin’i Zibona, vadin’i Esao: Niteraka an’i Jeosy sy i Jalama ary i Kora tamin’i Esao izy. Izao no loham-pirenena tamin’ny taranak’i Esao: Ny zanakalahin’i Elifaza, lahimatoan’i Esao, dia i Temana, loham-pireneny, i Omara, loham-pireneny, i Zefo, loham-pireneny, i Kenaza, loham-pireneny, i Kora, loham-pireneny, i Gatama, loham-pireneny ary i Amaleka, loham-pireneny. Ireo avy no loham-pirenena tamin’i Elifaza tany amin’ny tany Edoma. Ireo no zanak’i Ada. Izao kosa no zanakalahin’i Regoela, zanak’i Esao: I Nahata, loham-pireneny, i Zera, loham-pireneny, i Sama, loham-pireneny ary i Miza, loham-pireneny. Ireo avy no loham-pirenena tamin’i Regoela tany amin’ny tany Edoma. Ireo no zanak’i Basemata, vadin’i Esao. Izao no zanakalahin’i Oholibama, vadin’i Esao: I Jeosy, loham-pireneny, i Jalama, loham-pireneny, ary i Kora, loham-pireneny. Ireo avy no loham-pirenena tamin’i Oholibama, zanakavavin’i Ana, vadin’i Esao. Ireo no zanak’i Esao, izay atao koa hoe Edoma, ary ireo no loham-pireneny. Ireto avy no zanakalahin’i Seìra horita, izay nonina tany: I Lotana, i Sobala, i Zibona, i Ana, i Disona, i Ezera ary i Disana. Ireo no loham-pirenena tamin’ny Horita, dia ny taranak’i Seìra, tany amin’ny tany Edoma. Izao no zanakalahin’i Lotana: I Hory sy i Hemana. I Timna no anabavin’i Lotana. Ireto no zanakalahin’i Sobala: I Alvana, i Manahata, i Ebala, i Sefò ary i Onama. Izao no zanakalahin’i Zibona: I Aia sy i Ana. Izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-tany efitra, raha niandry ny borikin’i Zibona rainy izy. Ary izao no zanak’i Ana: I Disona sy i Oholibama, zanakavavin’i Ana. Ary izao no zanakalahin’i Disona: I Hemdana, i Esbana, i Jitirana ary i Kerana. Izao no zanak’i Ezera: I Bilana sy i Zavana ary i Akana. Izao no zanak’i Disana: I Oza sy i Arana. Ary izao avy no loham-pirenena tamin’ny Horita: I Lotana, loham-pireneny, i Sobala, loham-pireneny, i Zibona, loham-pireneny, i Ana, loham-pireneny, i Disona, loham-pireneny, i Ezera, loham-pireneny ary i Disana, loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin’ny tany Seìra. Ireto no mpanjaka nanjaka tany amin’ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ny Zanak’Israely: Nanjaka tany Edoma i Bela, zanak’i Beora, ka Dinaba no anaran’ny tanànany. Nony maty i Bela dia nanjaka nandimby azy i Jobaba, zanak’i Zera avy tany Bozra. Rehefa maty i Jobaba dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy tamin’ny tanin’ny Temanita. Nony maty i Hosama dia nanjaka nandimby azy i Hadada, zanak’i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ny tany Moaba; Avita no anaran’ny tanànany. Rehefa maty i Hadada dia nanjaka nandimby azy i Samla avy tany Masreka. Nony maty i Samla, dia nanjaka nandimby azy i Saoly avy tany Rehobota eo amoron’ny ony. Rehefa maty i Saoly dia nanjaka nandimby azy i Baala-Hanana, zanak’i Akbora. Nony maty i Baala-Hanana, zanak’i Akbora, dia nanjaka nandimby azy i Hadara. Pao no anaran’ny tanànany, ary ny anaran’ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’i Matireda, zanakavavin’i Me-Zahaba. Ary izao no anaran’ny loham-pirenena tamin’ny taranak’i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: i Timna, loham-pirenena, i Alva, loham-pirenena, i Jeteta, loham-pirenena, i Oholibama, loham-pirenena, i Elaha, loham-pirenena, i Pinona, loham-pirenena, i Kenaza, loham-pirenena, i Temana, loham-pirenena, i Mibzara, loham-pirenena, i Magdiela, loham-pirenena ary Irama, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena tamin’ny Edomita, araka ny fonenany tany amin’ny taniny avy. Izany ary no Esao, razamben’ny Edomita. Ary nonina tany amin’ny tany nivahinian’ny rainy i Jakoba, tany amin’ny tany Kanana. Izao no taranak’i Jakoba. Rehefa fito amby folo taona i Josefa dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy; izy moa dia zaza niaraka tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy. Ary i Josefa dia mpitati-bolana tamin’ny rainy. Tian’Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo misoratsoratra. Nony hitan’ny rahalahiny fa i Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy dia nankahala azy izy ireo ka tsy afaka nilaza teny tsara taminy. Ary nanonofy i Josefa ka nambarany tamin’ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany. Izao no nolazainy taminy: Mba henoy kely ange izao nofy izao! Indro, namehy amboara tany an-tsaha, isika; ary indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary indreo, nilahatra manodidina azy kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ny amboarako. Dia hoy ny rahalahiny taminy: Moa va izany hanjaka aminay tokoa ianao? Sa hanapaka aminay tokoa ianao? Vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany nofiny sy teniny izany. Dia nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny. Hoy izy: Indro, nanonofy indray aho! Ary indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika amby folo, niankohoka teo anatrehako. Nambarany tamin’ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany ka niteny mafy azy ny rainy hoe: Inona izany nofy nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao? Dia nialona azy ny rahalahiny fa ny rainy kosa dia nitadidy izany zavatra izany. Ary lasa niandry ny ondrin’ny rainy tany Sekema ny rahalahiny ka hoy Israely tamin’i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia ianao hirahiko hankany amin’izy ireo. Dia hoy ny navaliny: Inty aho! Ary hoy ny rainy taminy: Miangavy anao aho, andeha zahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’osy, na manao ahoana, dia miverena hilaza amiko. Dia nalefany avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrona izy ka nankany Sekema. Ary nisy lehilahy nahita azy nirenireny tany an-tsaha ka nanontany azy hoe: Inona moa no tadiavinao? Dia hoy izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa miangavy anao aho mba lazao amiko izay toerana iandrasany ondry. Dia hoy Ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy; reko niresaka izy ireo hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa nanaraka ny rahalahiny i Josefa ka nahita azy tany Dotana. Vao lavidavitra dia nahatazana azy ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy i Josefa dia niray tetika hamono azy izy ireo. Niresaka izy ireo hoe: Indro fa tamy ilay mpanonofy; koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ary hatsipintsika ao anatin’ny lava-drano, dia holazaintsika hoe: Lanin’ny biby masiaka izy. Ho hitantsika amin’izany ny hiafaran’ny nofiny. Raha nandre izany i Robena dia namonjy azy tamin’ny tanan’ireo ka niteny hoe: Aoka tsy hamono azy isika. Hoy koa i Robena tamin’izy ireo: Aoka tsy handatsa-dra ianareo; fa atsipazo ao anatin’io lava-drano etỳ an-tany efitra io izy fa aza misy mikasi-tanana azy ianareo. Izany no nolazainy mba hamonjeny an’i Josefa amin’ny tanan’ny rahalahiny ka hamerenany azy any amin’ny rainy. Rehefa tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahin’izy ireo ny akanjony, dia ilay akanjo misoratsoratra teny aminy; avy eo, nobatain’izy ireo izy ka natsipiny tao an-dava-drano. Maina ny lavaka tamin’izay fa tsy nisy rano tao. Dia nipetraka nisakafo izy ireo. Fa raha sendra nanopy ny masony izy ireo dia nahatazana fa indreo, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada ka nitondra ditin-kazo ny ramevany, dia nekota sy balisama ary lota izay noentiny hidina ho any Ejipta. Ary hoy i Joda tamin’ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny rany isika? Andeha hamidintsika amin’ireo Ismaelita ireo izy ary aoka tsy hikasika azy ny tanantsika. Rahalahintsika sy nofontsika ihany mantsy izy! Dia nanaiky ny rahalahiny. Fa nisy Midianita mpivaro-mandeha nandalo teo; dia nakariny niala tao an-dava-drano i Josefa ka namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita, ary nitondra an’i Josefa ho any Ejipta ireo. Rehefa niverina nankeo amin’ny lava-drano i Robena ka nahita fa indro, tsy tao an-dava-drano intsony i Josefa dia nandriatra ny fitafiany izy, ary niverina nankeo amin’ny rahalahiny i Robena ka niteny hoe: Tsy ao ny zaza ka izaho, dia mba aiza izao no halehako? Ary nalain’ireo rahalahiny ilay akanjon’i Josefa dia namono zanak’osy izy ka natsobony tamin’ny ran’io ilay akanjo. Dia nampanateriny ho any amin’ny rainy ilay akanjo sady hoy ny filazany azy: Nahita an’ity izahay ka fantaro na akanjon’ny zanakao ity na tsia. Dia fantany ilay akanjo ka hoy izy: Akanjon’ny zanako io! Lanin’ny biby masiaka izy! Voaviravira tokoa i Josefa! Dia nandriatra ny fitafiany i Jakoba ka nisikina lamba fisaonana ary nisaona ny zanany andro maromaro. Dia avy ny zanany lahy rehetra sy ny zanany vavy rehetra mba hampionona azy nefa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy: Tsia, fa hidina hisaona any amin’ny zanako any amin’ny fitoeran’ny maty aho. Dia mbola nitomany azy foana ny rainy. Fa ny Midianita kosa dia nivarotra an’i Josefa tany Ejipta tamin’i Potifara, tandapan’i Farao, sady lehiben’ny mpiambina. Tamin’izany andro izany i Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy adolamita iray, izay nantsoina hoe Hirà. Teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray; dia naka azy io izy ka nanambady azy. Dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Era. Nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Onana. Dia nanana anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Sela; ary nitoetra tany Keziba i Joda tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela. Ary naka vady ho an’i Era lahimatoany i Joda; Tamara no anarany. Ratsy fanahy teo imason’NY TOMPO anefa i Era, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’NY TOMPO. Dia hoy i Joda tamin’i Onana: Aoka ianao hanambady ny vadin’ny rahalahinao ka tanteraho ny adidinao amin’ny maha rahalahin’ny maty anao mba hamelomanao maso azy. Fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny taranaka; koa rehefa nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hisy taranaka ho an’ny rahalahiny. Tsy nankasitrahan’NY TOMPO izay nataony ka novonoiny koa izy. Ary hoy i Joda tamin’i Tamara vinantovaviny: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon’ny rainao mandra-pahalehiben’i Sela zanako lahy, fa hoy izy anakampo: Fandrao ho faty tahaka ny rahalahiny koa i Sela. Dia nandeha i Tamara ka nitoetra tao an-tranon’ny rainy. Nony ela, maty ny vadin’i Joda, dia ilay zanakavavin’i Soa. Rehefa nionona ny alahelon’i Joda dia niakatra tany amin’ny mpanety ondriny tany Timna izy sy i Hirà adolamita sakaizany. Dia nisy nanambara tamin’i Tamara hoe: Indro, miakatra ho any Timna hanety ny ondriny ny rafozanao. Dia nanaisotra ny akanjony fanaon’ny mpitondratena izy ary nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’i Enaima izay eo amin’ny lalana mankany Timna. Satria hitan’i Tamara fa efa lehibe i Sela nefa izy tsy mbola nomen’i Joda ho vadin’i Sela ihany. Hitan’i Joda i Tamara ka nataony fa vehivavy janga satria nanarona ny tavany izy. Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana i Joda ka niteny hoe: Aoka mba handry aminao aho. Tsy fantany hoe vinantony izy. Dia hoy Ravehivavy: Inona ary no homenao ahy raha mandry amiko ianao? Dia hoy izy: Hampanateriko zanak’osy avy amin’ny ondry aman’osy ianao. Fa hoy kosa Ravehivavy: Hanome antoka va ianao mandra-panatitrao azy? Ary hoy izy: Inona ary no antoka homeko anao? Dia hoy Ravehivavy: Ny fitombo-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Nomeny azy ireny dia nandry taminy izy ary nanana anaka taminy Ravehivavy. Ary niainga Ravehivavy ka lasa nandeha dia nanala ny fisalobonana izay nitafiany ka niakanjo ny akanjo fanaon’ny mpitondratena indray. Dia nampitondrain’i Joda an’ilay Adolamita sakaizany ny zanak’osy, hakany ilay antoka. Kanjo tsy nahita azy izy. Dia nanontany ny olona teo amin’ny fonenan-dRavehivavy izy hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay teo amoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. Dia niverina tany amin’i Joda ilay Adolamita ka niteny hoe: Tsy hitako izy; ary nolazain’ny olona tompon-tany aza fa tsy nisy vehivavy janga teo. Dia hoy i Joda: Aoka ho lasany any fandrao ho afa-baraka isika. Indro, efa nampanateriko ity zanak’osy ity, nefa tsy hitanao izany ilay vehivavy. Rehefa afaka tokony ho telo volana dia nisy nanambara tamin’i Joda hoe: Nijangajanga i Tamara vinantovavinao ary indro, manana anaka avy tamin’ny fijangajangana izy! Dia hoy i Joda: Avoahy izy hodorana! Rehefa naseho izy dia nandefa iraka tany amin’ny rafozany hiteny hoe: Ny lehilahy izay tompon’ireto no nananako anaka. Ary hoy koa izy: Miangavy anao aho, fantaro izay tompon’ity fitombo-kase sy ny kofehiny ary ity tehina ity! Dia fantatr’i Joda ireo ka hoy izy hoe: Marina noho izaho izy satria tsy nomeko ho vadiny i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. Tamin’ny andro niterahany dia indro, nisy zaza kambana tao an-kibony. Rehefa teraka izy dia niseho ny tanan’ny iray; naka kofehy jaky ny mpampivelona ka nafehiny tamin’ny tanany sady hoy izy: Ity no niseho voalohany. Rehefa nahemony anefa ny tanany dia indro teraka ny rahalahiny. Dia hoy ny mpampivelona: Nahoana no nibosesika toy izao ianao? Dia nataony hoe: Fareza ny anarany. Rehefa afaka izany dia teraka koa ny rahalahiny izay nisy ilay kofehy jaky tamin’ny tanany; dia nataony hoe Zera ny anarany. Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany. Ary NY TOMPO nomba an’i Josefa ka nambinina izy; nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptiana tompony izy. Dia hitan’ny tompony fa nomban’NY TOMPO izy satria izay rehetra nataony dia nampahombiazin’NY TOMPO. Ary i Josefa dia nahita fitia teo imason’ny tompony ka nanompo azy. Notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony izy ka izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. Ary hatramin’izay nanendren’ny tompony azy ho mpikarakara ny tao an-tranony, mbamin’izay rehetra nananany, dia notahin’NY TOMPO ny tranon’ilay Ejiptiana noho ny amin’i Josefa; ny fitahian’NY TOMPO dia tamin’izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary satria nanana azy i Potifara dia tsy nihevitra zavatra hafa intsony afa-tsy ny sakafony ihany. Ary i Josefa dia bikana sady tsara tarehy. Taorianan’izany ny vadin’ny tompony dia nanomboka nijery an’i Josefa ka niteny hoe: Avia handry amiko. Nandà anefa izy ka niteny tamin’ny vadin’ny tompony hoe: Indro, satria manana ahy ny tompoko, dia tsy mihevitra na inona na inona ato an-trano izy, fa izay rehetra ananany dia natolony ho andraikitro avokoa. Tsy misy lehibe noho izaho ato amin’ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany satria vadiny ianao. Koa hataoko ahoana no hanao izany heloka lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra? Ary na dia niteny tamin’i Josefa isanandro aza Ravehivavy dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy. Indray andro, niditra hanatanteraka ny raharahany tao an-trano i Josefa, sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay, dia nisambotra azy tamin’ny akanjony Ravehivavy ka niteny hoe: Avia handry amiko! Navelan’i Josefa teny an-tanany anefa ny akanjony dia lasa nandositra tany alatrano izy. Rehefa hitan-dRavehivavy fa navelany teny an-tanany ny akanjony sady lasa nandositra tany alatrano izy dia niantso ireo olona tao an-tranony izy ka nilaza taminy hoe: Indro, nampiditra lehilahy hebreo tato amintsika izy hisangy antsika. Nanatona ahy mba handry amiko iny dia niantso tamin’ny feo mahery aho. Nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantsoantso dia navelany teto anilako ny akanjony ka lasa nandositra any alatrano izy. Dia napetraky Ravehivavy teo anilany ilay akanjon’i Josefa, mandra-pahatongan’ny tompony tao an-trano. Dia nilaza taminy araka ireo teny ireo izy hoe: Nanatona ahy ilay mpanompolahy hebreo izay noentinao ho eto amintsika mba hisangy ahy. Rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantsoantso dia navelany eto anilako ny akanjony ka lasa nandositra any alatrano izy. Rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny izay niteny taminy hoe: Araka izany voalazako izany no nataon’ilay mpanompolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. Dia naka an’i Josefa ny tompony ka nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka. Koa nitoetra tao an-tranomaizina izy. Nomba an’i Josefa anefa NY TOMPO ka namindra fo taminy ary nampahita fitia azy teo imason’ny mpiambina ny tranomaizina. Koa natolotry ny mpiambina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina ary izy no tomponandraikitra tamin’izay rehetra nataon’ireo tao. Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO. Taorianan’izany dia nahavita fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanao mofony. Dia nisafoaka tamin’ireo tandapany roa lahy ireo i Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo. Nataony tao an-tranomaizina izy roa lahy, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, tao anatin’ilay tranomaizina izay nifatoran’i Josefa. Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy. Indray alina, nanonofy izy roa lahy, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta, izay nifatotra tao an-tranomaizina. Samy nanana ny nofiny izay samy nanana ny heviny avy izy roa lahy ireo. Nony maraina ny andro dia nankao amin’izy ireo i Josefa ka nahita azy ireo nalahelo tarehy. Dia nanontanian’i Josefa ireo tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony; hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo? Hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay ary tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy i Josefa: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Miangavy anareo aho, lazao amiko izany nofinareo izany! Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny; hoy izy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako. Ilay tahom-boaloboka dia nisampana telo. Nony nitsimoka izy dia niposaka ny voniny ary ny sampahony dia nahavanona voaloboka masaka. Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka. Dia hoy i Josefa taminy: Izao no hevitr’izany: Ny sampany telo dia hateloana. Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ny lohanao ka hampodiny ho ao amin’ilay nipetrahanao ianao; hanolotra ny kapoakan’i Farao ho eo an-tanany indray ianao, tahaka ilay fanao fahiny fony ianao mpitondra kapoakany. Fa mba tsarovy aho rehefa mahita soa ianao, koa trara antitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho ka avoahy amin’ity trano ity. Fa nangalarina avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo aho, nefa ange tsy nanao na inona na inona izay tokony ho nametrahana ahy ato amin’ity lavaka ity. Rehefa hitan’ny lehiben’ny mpanao mofo fa tsara ny fanazavany ny hevitry ny nofy dia hoy izy tamin’i Josefa: Izaho koa dia nanonofy ka indro, hono, niloloha harona telo feno mofo fotsy aho. Tao anatin’ilay harona ambony indrindra dia nisy ny karazana sakafo rehetra nataon’ny mpanao mofo ho an’i Farao. Nefa lanin’ny vorona tao anatin’ny harona izay nololohaviko izany. Dia hoy i Josefa: Izao kosa no hevitr’izany: Ny harona telo dia hateloana. Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ho afaka aminao ny lohanao ka hahantony amin’ny hazo ianao dia hohanin’ny vorona ny nofonao. Ary tamin’ny andro fahatelo, izay nitsingerenan’ny taona nahaterahany, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Farao, ka nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony. Ny lehiben’ny mpitondra kapoaka dia nampodiny ho amin’ny fitondrany kapoaka indray ka nanolotra ny kapoaka ho eo an-tanan’i Farao. Fa ny lehiben’ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay nolazain’i Josefa tamin’izy roa lahy avy. Kanjo tsy mba nahatsiaro an’i Josefa ilay lehiben’ny mpitondra kapoaka fa nanadino azy. Rehefa feno roa taona taorianan’izany dia nanonofy i Farao ka indro, hono, nitsangana teo amoron’ny Neily izy. Koa indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy tao amin’ny Neily ka nihinana teny amin’ny bararata. Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy tao amin’ny Neily nanaraka azy, dia nijanona teo anilan’ireo ombivavy teo amoron’ny Neily koa. Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia dia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro i Farao. Natory indray izy ka nanonofy fanindroany ka indro, hono, nisy salohim-bary fito niakatra tamin’ny tahony iray, sady matavy no tsara. Ary indreo, nisy salohim-bary fito maivam-boa kosa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny. Ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito matavy sy be voa. Dia nahatsiaro i Farao, koa indro fa nofy ihany izany. Nony maraina dia nitebiteby izy ka nandefa iraka haka ny ombiasy rehetra tany Ejipta sy ny olon-kendriny rehetra. Nambaran’i Farao azy ireo ny nofiny, nefa tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao. Dia niteny tamin’i Farao ilay lehiben’ny mpitondra kapoaka hoe: Tsaroako izao ny hadisoako. Tezitra tamin’ny mpanompony i Farao ka nampiditra ahy tao an-tranomaizina tao anatin’ny tranon’ny lehiben’ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben’ny mpanao mofo. Indray alina, nanonofy izahay, dia izaho sy izy; samy nanana nofy izay samy nanana ny heviny avy izahay. Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. Tanteraka araka izay nolazainy taminay avy izany: Izaho dia nampodìny ho ao amin’ilay nipetrahako fa izy kosa dia nahantony. Dia nandefa iraka haka an’i Josefa i Farao ka nalaina haingana niala tao an-davaka izy. Nanaratra ny volombavany sy niova fitafiana izy ka nankany amin’i Farao. Hoy i Farao tamin’i Josefa: Nanonofy aho fa tsy misy mahalaza ny heviny; nahare nefa aho fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Hoy ny navalin’i Josefa an’i Farao hoe: Tsy ahy izany! Andriamanitra no hilaza izay valiny hampiadana an’i Farao! Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron’ny Neily aho. Koa indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy tao amin’ny Neily ary nihinana teny amin’ny bararata ireny. Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa indray kosa niakatra nanaraka azy ireny, mangozohozo sady tena ratsy tarehy no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ny tany Ejipta rehetra. Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy. Rehefa nahahinana an’ireo matavy izy dia tsy fantatra akory fa ao an-kibony ireny, fa mbola ratsy tarehy tahaka ny taloha ihany ireo. Dia nahatsiaro aho. Hitako tamin’ny nofiko indray fa indreo, nisy salohim-bary fito niakatra tamin’ny tahony iray, sady feno no tsara. Ary indreo, nisy salohim-bary fito kosa sady malazo no maivam-boa, mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny. Ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito tsara. Nolazaiko tamin’ny ombiasy izany nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko ireny. Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: Iray ihany ny nofin’i Farao; izay hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao. Ny ombivavy fito tsara tarehy dia taona fito; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia taona fito; iray ihany ny nofy. Ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia taona fito; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana dia ho taona fito mosarena. Izany dia ilay nolazaiko tamin’i Farao teo hoe: Izay hataon’Andriamanitra no asehony amin’i Farao. Indro, hisy fito taona tena zina manerana ny tany Ejipta rehetra. Manaraka izany kosa hisy fito taona hisy mosary ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ny tany Ejipta fa ho ritran’ny mosary ny tany. Ilay fahavokarana teo amin’ny tany dia tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany, fa ho mafy indrindra izany. Naverina indroa ny nofin’i Farao satria voatendrin’Andriamanitra ireo zavatra ireo ka hotanterahin’Andriamanitra haingana. Koa ankehitriny, aoka i Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta. Aoka hanatanteraka izany i Farao, ary aoka izy hanendry mpanara-maso amin’ny tany ka hamory ny ampahadimin’ny vokatry ny tany Ejipta amin’ny taon-jina fito ireny. Dia aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ny anaran’i Farao, hohanina any amin’ny tanàna maro, ary aoka izy hitahiry ireo. Ary aoka ireo hanina ireo hotahirizina ao amin’ny tany ho amin’ny fito taona hisy mosary, izay ho tonga amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho simban’ny mosary ny tany. Nankasitrahan’i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany. Dia hoy i Farao tamin’ny mpanompony: Moa va isika hahita lehilahy manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny tahaka an’io? Ary hoy i Farao tamin’i Josefa: Satria nampahafantarin’Andriamanitra anao izany rehetra izany dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao. Koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra. Ny sezafiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao. Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: Indro, manendry anao hanapaka amin’ny tany Ejipta rehetra aho. Dia nesorin’i Farao ny peratra fitombo-kase tamin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa, dia nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy ary nasiany rojo volamena ny vozony. Avy eo, nampitaingeniny tamin’ny kalesiny faharoa izy, ary niantso teo alohany ny vahoaka hoe: Abreka! Notendreny ho mpanapaka ny tany Ejipta rehetra izy. Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: Izaho no Farao, kanefa raha tsy teninao dia tsy hisy olona hanetsika ny tanany na ny tongony eto amin’ny tany Ejipta manontolo. Nataon’i Farao hoe Zafenata-Panea ny anaran’i Josefa. Nomeny azy ho vadiny i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona. Ary nandeha nitety ny tany Ejipta i Josefa. Telopolo taona i Josefa raha niseho teo anatrehan’i Farao, mpanjakan’i Ejipta. Niala teo anatrehan’i Farao i Josefa ka nandeha nitety ny tany Ejipta manontolo. Nahavokatra be dia be tokoa ny tany tamin’ny taon-jina fito. Dia namory ny hanina rehetra tamin’izany fito taona izany teo amin’ny tany Ejipta i Josefa ka nitahiry ireo tany amin’ny tanàna rehetra. Notahiriziny tao anatin’ny tanàna ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna. Namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina i Josefa; eny, be dia be izany ka tsy nanisa intsony izy satria tsy hita isa ireo. Tsy mbola tonga ny taonan’ny mosary fony i Josefa niteraka zazalahy roa tamin’i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona. Ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase, fa Andriamanitra, hoy izy, efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko. Ny anaran’ny zandriny kosa dia nataony hoe Efraima; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nahamaro ahy teto amin’ny tanin’ny fahoriako. Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin’ny tany Ejipta, fa niandoha kosa ny fito taona nisy mosary, araka izay efa voalazan’i Josefa. Ary nisy mosary tany amin’ny tany rehetra; nefa nanerana ny tany Ejipta manontolo dia mbola nisy hanina ihany. Rehefa mosarena ny tany Ejipta manontolo dia nitaraina nangataka hanina tamin’i Farao ny olona. Dia hoy i Farao tamin’ny Ejiptiana rehetra: Mankanesa any amin’i Josefa, koa izay holazainy aminareo dia ataovy. Tany amin’ny tany rehetra ny mosary, nefa namoha ny trano fitahirizam-bary i Josefa ka nivaro-bary tamin’ny Ejiptiana. Tena mafy ny mosary nanerana ny tany Ejipta. Ary ny tany rehetra dia nankany Ejipta ho any amin’i Josefa mba hividy vary fa mafy ny mosary tany amin’ny tany rehetra. Fantatr’i Jakoba koa fa nisy vary tany Ejipta ka hoy izy tamin’ireo zanany lahy: Nahoana no mifampijery foana eo ianareo? Hoy koa izy: Reko fa misy vary any Ejipta; andeha midina any ianareo ka mividiana ho antsika mba ho velona isika fa tsy ho faty. Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’i Josefa mba hividy vary any Ejipta. Fa tsy mba nalefan’i Jakoba niaraka tamin’ny rahalahiny i Benjamina rahalahin’i Josefa, fandrao, hoy izy, hisy loza hanjo azy. Dia tonga ny zanak’Israely mba hividy vary, niaraka tamin’ny olona izay nankany Ejipta, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. I Josefa no mpanapaka tamin’ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Ary tonga ny rahalahin’i Josefa ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. Rehefa hitan’i Josefa ireo rahalahiny dia fantany ihany, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy tamin’izy ireo hoe: Avy aiza ianareo? Dia hoy ny rahalahiny: Avy any amin’ny tany Kanana izahay mba hividy hanina. Fantatr’i Josefa ny rahalahiny fa izy ireo kosa dia tsy mba nahafantatra azy. Tsaroan’i Josefa ireo nofiny momba azy ireo ka hoy izy taminy hoe: Mpitsikilo ianareo; hizaha ny fangadihadin’ny tany no nahatongavanareo! Fa hoy ireo taminy: Tsia, tompokolahy, fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay fa tsy mba mpitsikilo tsy akory ny mpanomponao! Hoy i Josefa tamin’izy ireo: Tsia! Fa hizaha ny fangadihadin’ny tany no nahatongavanareo! Hoy izy ireo: Roa amby folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanana; ary indro, ny faralahy dia any amin’ny rainay ankehitriny, fa ny iray dia tsy ao intsony. Dia hoy i Josefa taminy: Io ilay voalazako taminareo hoe: Mpitsikilo ianareo! Izao ary no porofo hamantarana anareo: Raha velona koa i Farao, tsy hiala atỳ ianareo raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany. Iraho ny iray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hafatotra ianareo mba hahazoana mamantatra ny teninareo raha marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa i Farao, dia mpitsikilo tokoa ianareo! Dia nataony tao an-tranomaizina hateloana izy rehetra. Nony tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Josefa tamin’izy ireo: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho dia matahotra an’Andriamanitra: Raha olo-marina ary ianareo dia aoka ny iray aminareo mirahalahy ireo no hafatotra ao amin’ny tranomaizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo mitondra vary any amin’ny tranonareo noho ny mosary; ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo ka tsy hovonoina ianareo. Dia nataon’izy ireo izany. Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika. Hoy i Robena taminy: Moa tsy efa niteny taminareo va aho hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy mba nihaino ianareo. Koa indro, adinina amintsika izao ny rany! Tsy fantatr’izy ireo fa nahafantatra ny teniny i Josefa satria nisy mpandika teny niresahany taminy. Dia nihodina niala teo i Josefa ka nitomany. Avy eo, niverina nankeo indray izy ka niresaka tamin’izy ireo, dia naka an’i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony. Nanome teny i Josefa mba hofenoina vary ny lasakany ary haverina ho ao anatin’ny lasakany avy ny volan’ny isan-dahy; nasainy nomena vatsy koa izy ireo hoentiny eny an-dalana. Nataony tamin’izy ireo izany. Dia nataingin’izy ireo tamin’ny borikiny avy ny vary ka lasa izy ireo nandeha. Rehefa nosokafan’ny iray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’izay handriany dia indro, hitany ny volany teo am-bavan’ny lasakany ihany. Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako ka indro, ao anatin’ny lasakako! Dia ketraka ny fony ary nifampijery tamin-tahotra izy ireo ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao? Nony tonga tany amin’i Jakoba rainy tany amin’ny tany Kanana izy ireo dia nambaran’izy ireo taminy izay rehetra nanjo azy ka hoy izy ireo: Mafy ny teny nataon-dRalehilahy tompon’ny tany taminay, fa nataony ho mpitsikilo izahay. Nefa hoy izahay taminy: Olo-marina izahay fa tsy mba mpitsikilo akory! Roa amby folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny iray, ary ny faralahy dia any amin’ny rainay any amin’ny tany Kanana ankehitriny. Dia hoy Ralehilahy tompon-tany taminay: Izao ary no porofo hahafantarako fa olo-marina ianareo: Ny iray aminareo mirahalahy ireo dia avelao atỳ amiko, fa mitondrà vary noho ny mosary any amin’ny tranonareo dia mandehana. Ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy dia ho fantatro fa tsy mba mpitsikilo ianareo fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo ka hahazo hivarotra eto amin’ny tany ianareo. Ary rehefa nandraraka izay tao anatin’ny lasakany izy ireo dia indro, ny volany dia tao am-ponosana samy tao anatin’ny lasakany avy. Nony nahita ny volany tao am-ponosana izy ireo sy ny rainy dia samy raiki-tahotra. Dia hoy i Jakoba rainy tamin’izy ireo: Tsy hanan-janaka intsony aho izany aminareo! I Josefa dia tsy eto intsony, i Simeona koa dia tsy eto intsony ary i Benjamina indray dia halainareo! Izaho ihany no ianjadian’izany rehetra izany! Dia niteny tamin’ny rainy i Robena hoe: Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy mitondra azy miverina atỳ aminao aho! Atolory eto an-tanako izy fa izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray. Dia hoy i Jakoba: Tsy hidina miaraka aminareo ny zanako; efa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa; ary raha misy loza manjo azy any amin’ny lalana izay halehanareo dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty amin’alahelo ny volofotsiko. Mafy ny mosary teo amin’ny tany. Koa rehefa lanin’izy ireo ny vary izay nalainy tany Ejipta dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividiana hanina kely ho antsika. Fa hoy i Joda taminy hoe: Niteny mafy taminay Ralehilahy hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo. Raha alefanao miaraka aminay ny rahalahinay dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao. Fa raha tsy ampandehaninao izy dia tsy hidina izahay, satria hoy Ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo. Dia hoy Israely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dRalehilahy fa mbola nanana rahalahy koa ianareo? Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo? Ary hoy i Joda tamin’Israely rainy: Ampandehano miaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika fa tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa. Izaho no hiantoka azy; amin’ny tanako no handraisanao azy. Raha tsy tongako atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho. Raha tsy nitaredretra izahay dia efa tafaverina fanindroany toy izay. Dia hoy Israely rainy taminy: Raha izany ary no izy dia izao no ataovy: Makà amin’ny vokatra malaza amin’ny tany ka ataovy ao anatin’ny fitondranareo entana dia ento midina hatao fanomezana ho an-dRalehilahy, dia balisama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota ary pistasy sy amanda. Mitondrà vola torak’ilay teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina any indray; angamba fahadisoana izany. Ento ihany ny rahalahinareo dia miaingà ka miverena indray ho any amin-dRalehilahy. Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dRalehilahy mba hamerenany ny rahalahinareo iray sy i Benjamina. Ary izaho, rehefa tsy hanan-janaka, dia tsy hanan-janaka intsony! Dia noentin’ireo lehilahy ireo ny zavatra hatao fanomezana; vola indroa torak’ilay teo koa no noentin’izy ireo teny an-tanany, niaraka tamin’i Benjamina. Dia niainga izy ireo, nidina tany Ejipta ka tonga teo anatrehan’i Josefa. Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana. Nataon-dRalehilahy araka izay nandidian’i Josefa izany ka nampidiriny tao an-tranon’i Josefa izy ireo. Ary raiki-tahotra ireo lehilahy ireo satria nampidirina tao an-tranon’i Josefa ka hoy izy ireo: Noho ilay vola naverina tao anatin’ny lasakantsika fahiny izao no nampidirana antsika, hitadiavany hevitra ny hamelezany antsika ka hataony mpanompo isika ary halainy koa ny borikintsika. Rehefa izany dia nanatona an-dRalehilahy izay mpikarakara ny tao an-tranon’i Josefa izy ireo ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano hoe: Azafady, tompokolahy: Nidina tatỳ hividy hanina tokoa izahay tamin’ny voalohany. Rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay dia nosokafanay ny lasakanay dia indreo, ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tsy nahabangana ny lanjan’ny volanay rehetra. Noentinay niverina etỳ an-tananay izany. Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina. Nefa tsy fantatray izay nampiditra ny volanay tao anatin’ny lasakanay. Ary hoy Ralehilahy: Fiadanana ho anareo! Aza matahotra! Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ny lasakanareo. Ny volanareo dia efa tonga atỳ amiko. Dia namoaka an’i Simeona ho eo aminy izy. Dia nampidirin-dRalehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano. Dia nisasa tongotra izy ireo ary nomeny hanina koa ny borikiny. Dia nandamina ny zavatra hatao fanomezana izy ireo mandra-piavin’i Josefa amin’ny mitataovovonana, fa reny fa eo no hisakafoany. Rehefa tonga tao an-trano i Josefa dia natolotr’izy ireo ho azy ny fanomezana izay noentiny ho ao an-trano, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy rehetra. Ary nanontany ny fahasalamany i Josefa ka niteny hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahiantitra, nolazainareo? Mbola velona ihany va izy? Dia hoy izy ireo: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. Ary nanopy ny masony i Josefa ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy izay nolazainareo tamiko? Hoy ihany izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka! Dia niala haingana i Josefa fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny ka nitady toerana hitomaniany izy; dia niditra tao amin’ny efitrano iray izy dia nitomany tao. Avy eo, rehefa avy nanasa ny tarehiny izy, dia niala tao. Nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka niteny hoe: Arosoy ny sakafo! Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, mitokana ny ho an’ny rahalahiny ary mitokana koa ny ho an’ny Ejiptiana izay nisakafo teo aminy, satria ny Ejiptiana dia tsy mahazo miara-misakafo amin’ny Hebreo fa zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana izany. Dia nipetraka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, ny lahimatoa araka ny fizokiany ary ny faralahy araka ny maha zandriny azy. Dia samy talanjona ka nifampijerijery teo izy ireo. Ary samy nitondrana anjara sakafo teo anoloan’i Josefa avy izy mirahalahy; kanefa ny anjaran’i Benjamina dia indimin’ny anjaran’ny iray tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy ireo. Ary i Josefa dia nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Fenoy hanina, araka izay zakany hoentina, ny lasakan’ireo lehilahy ireo ary ataovy eo am-bavan’ny lasakany avy ny volan’ny tsirairay. Ary ny kapoakako, ilay kapoaka volafotsy, dia ataovy eo am-bavan’ny lasakan’ilay faralahy miaraka amin’ny vola hividianany vary. Dia notanterahin’ny mpikarakara araka izany ny tenin’i Josefa. Ary raha vao nazava ny andro dia nalefa handeha ry zareo sy ny borikiny. Rehefa tafavoaka ny tanàna izy ireo ka tsy mbola lasa lavitra dia hoy i Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao izy dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa? Tsy iny va ilay kapoaka fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? Ratsy izao nataonareo izao! Dia nahatratra azy ireo Ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy. Hoy izy ireo taminy: Nahoana ny tompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ny mpanomponao ny hahavita zavatra toy izany! Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ny lasakanay aza naverinay tatỳ aminao indray, avy tany amin’ny tany Kanana; koa hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena avy ao amin’ny tranon’ny tomponao? Izay iray amin’ny mpanomponao hahitana izany dia aoka hovonoina ary izahay kosa dia ho mpanompon’Itompokolahy. Dia hoy Ralehilahy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: Izay hahitana izany dia ho mpanompoko fa ianareo kosa dia tsy hanan-tsiny. Dia samy nampidina haingana ny lasakany tamin’ny tany izy rehetra ka samy nanokatra ny lasakany avy. Dia nisava Ralehilahy ka tamin’ny lahimatoa no nanombohany ary tamin’ny faralahy no niafarany. Tao amin’ny lasakan’i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. Ary samy nandriatra ny fitafiany izy dia nampiakatra ny entany tamin’ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna. Dia niditra tao an-tranon’i Josefa i Joda sy ny rahalahiny, fa mbola tao izy ka nidaboka tamin’ny tany teo anatrehany. Hoy i Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa izay lehilahy toa ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. Nefa hoy i Josefa: Sanatria ahy ny hahavita izany! Izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho mpanompoko fa ianareo kosa dia miakara soa amantsara ho any amin’ny rainareo. Dia nanatona azy i Joda ka niteny hoe: Azafady, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’i tompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’i Farao ianao! Itompokolahy dia nanontany ny mpanompony hoe: Manana ray na rahalahy koa va ianareo? Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Manana ray lahiantitra sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany, izahay; maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zanaky ny reniny sisa, ary tian’ny rainy izy. Ary niteny tamin’ny mpanomponao ianao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ny masoko. Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Tsy mahazo misaraka amin’ny rainy ny zazalahy; fa raha misaraka amin’ny rainy izy dia ho faty ny rainy. Ary hoy ianao tamin’ny mpanomponao: Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo. Koa rehefa tafakatra tany amin’ny mpanomponao raiko izahay dia nambaranay azy ny tenin’Itompokolahy. Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividiana hanina kely ho antsika. Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dRalehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy. Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko dia niteraka roa lahy tamiko. Lasa niala tamiko ny iray ka hoy aho: Tena voaviraviran’ny biby izy ka tsy hitako mandraka ankehitriny. Raha halainareo hiala amiko koa ity ka hisy loza hanjo azy dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty amim-pahoriana ny volofotsiko. Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ny mpanomponao raiko aho ka tsy tafaraka aminay ny zaza, nefa ny ainy mifamatotra amin’ny ain’io, koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao dia hampidina ny volofotsin’ny mpanomponao rainay ho any amin’ny fitoeran’ny maty amin’alahelo. Fa ny mpanomponao dia niantoka ny zaza tamin’ny raiko ka niteny hoe: Raha tsy tongako atỳ aminao izy dia ho meloka amin’ny raiko amin’ny andro rehetra hiainako aho. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hijanona ho mpanompon’Itompokolahy hisolo ny zaza ny mpanomponao, fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny! Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko raha tsy miaraka amiko ny zaza? Fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho! Ary i Josefa dia tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra nanatrika teo. Koa niantso izy hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny izy. Dia nitomany mafy izy ka ren’ny Ejiptiana sady ren’ny tao an-tranon’i Farao koa. Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Izaho no Josefa! Mbola velona ihany va Ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny fa toran-kovitra teo anatrehany teo. Dia hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo! Dia nanatona ry zareo. Ary hoy i Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Ejipta. Ankehitriny anefa, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ. Roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany; mbola hisy dimy taona koa tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. Andriamanitra no nandefa ahy hialoha anareo mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe. Amin’izany dia tsy ianareo no nandefa ahy ho atỳ fa Andriamanitra; Izy no nametraka ahy ho rain’i Farao sy ho tompon’ny ao an-tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo. Mandehana miakatra haingana ianareo ho any amin’Ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Josefa zanakao: Efa nataon’Andriamanitra ho tompon’i Ejipta manontolo aho ka midìna hankaty amiko fa aza misalasala. Dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao ka ho eo akaikiko ianao; ho eo akaikiko koa ny zanakao, ny zafinao, ny ondry aman’osinao ary ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao. Hamelona anao eo aho mba tsy hahantra ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao fa mbola haharitra dimy taona ny mosary. Ary indro, hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa izaho mihitsy no miteny aminareo. Hambaranareo amin’Ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Ejipta sy izay rehetra hitanareo. Koa mandehana haingana ianareo ka ento midina atỳ Ikaky. Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary i Benjamina koa dia nitomany teo amin’ny vozony. Dia nanoroka ny rahalahiny rehetra koa izy ka nitomany teo am-pamihinany azy ireo. Rehefa vita izany dia niresaka taminy ireo rahalahiny. Re hatrao an-tranon’i Farao fa tonga, hono, ny rahalahin’i Josefa. Nahafaly an’i Farao sy ny mpanompony izany ka hoy i Farao tamin’i Josefa: Lazao amin’ny rahalahinao hoe: Ataovy izao: Ataingeno ny entana hoentin’ny bibinareo ka mankanesa any amin’ny tany Kanana; alao ny rainareo sy ny ankohonanareo ka mankanesa atỳ amiko dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Ejipta ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany ianareo! Ankehitriny, efa nomena teny ianao ka ataovy izao: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo ary ento ny rainareo ka mankanesa atỳ. Aza malahelo ny amin’ny fanakareo fa ho anareo izay tsara eto amin’ny tany Ejipta manontolo. Dia nataon’ny zanak’Israely izany ka nomen’i Josefa sarety, araka ny tenin’i Farao, izy ireo; nomeny vatsy koa hoentiny eny an-dalana. Ary samy nomeny akanjo indray miova avy izy rehetra, fa i Benjamina kosa dia nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo indimy miova. Izao kosa no nampitondrainy ho an’ny rainy: Borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Ejipta, borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary vatsy ho an’ny rainy hoentiny eny an-dalana. Dia nalefany ny rahalahiny ka lasa nandeha izy ireo. Ary hoy i Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo! Dia niakatra avy tany Ejipta izy ireo ka tonga tany amin’i Jakoba rainy tany amin’ny tany Kanana. Dia nilaza taminy izy ireo ka niteny hoe: Mbola velona ihany i Josefa ary izy no mpanapaka amin’ny tany Ejipta manontolo. Nangatsiaka ihany anefa ny fon’i Jakoba fa tsy nino azy ireo izy. Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay nolazain’i Josefa taminy. Rehefa hitany ny sarety izay nalefan’i Josefa mba hitondrana azy dia izay vao velona indray ny ain’i Jakoba rainy. Ary hoy Israely: Ampy izay! Mbola velona ihany i Josefa zanako! Handeha aho ka hahita azy dieny tsy mbola maty. Ary niainga Israely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Bery-Sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitr’Isaka rainy izy. Ary Andriamanitra niteny tamin’Israely tamin’ny fahitana nony alina hoe: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Dia hoy Israely: Inty aho! Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta ianao fa hataoko firenena lehibe any ianao. Izaho no hiara-midina aminao ho any Ejipta ary Izaho koa no hitondra anao miakatra indray; ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao. Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy. Noentin’izy ireo ny omby aman’ondriny sy ny fananany izay nohariny tany amin’ny tany Kanana. Tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny zanany rehetra niaraka taminy. Ny zanany lahy sy ny zafiny lahy niaraka taminy, ary ny zanany vavy sy ny zafiny vavy; eny, noentiny niaraka taminy ho any Ejipta avokoa ny zanany rehetra. Ireto no anaran’ny zanak’Israely izay tonga tany Ejipta, dia Jakoba sy ny zanany lahy: I Robena, lahimatoan’i Jakoba. Ny zanakalahin’i Robena dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy. Ny zanakalahin’i Simeona dia i Jemoela, i Jamina, i Ohada, i Jakina, i Zohara ary i Saoly, zanakalahin’ny vehivavy Kananita. Ny zanakalahin’i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary. Ny zanakalahin’i Joda dia i Era, i Onana, i Sela, i Fareza ary i Zera. I Era sy i Onana anefa dia maty tany amin’ny tany Kanana. Ny zanakalahin’i Fareza dia i Hezrona sy i Hamola. Ny zanakalahin’Isakara dia i Tola, i Pova, i Joba ary i Simrona. Ny zanakalahin’i Zebolona dia i Sereda sy i Elona ary i Jahalela. Ireo no zanakalahin’i Lea izay naterany tamin’i Jakoba tany Padana-Arama, ary i Dina no zanany vavy. Ny isan’ny zanany lahy rehetra mbamin’ny zanany vavy dia telo amby telopolo. Ny zanakalahin’i Gada dia i Zifiona, i Hagy, i Sony, i Ezbona, i Ery, i Aroda ary i Arely. Ny zanak’i Asera dia i Jimna, i Jisva, i Jisvy, i Beria ary i Sera, anabavin’ireo. Ny zanakalahin’i Beria dia i Hebera sy i Malkiela. Ireo no zanak’i Zilpa izay nomen’i Labana an’i Lea zanany vavy, ary ireo no naterany tamin’i Jakoba; enina amby folo no isan’izy rehetra. Ny zanakalahin’i Rahely, vadin’i Jakoba, dia i Josefa sy i Benjamina. Ny zanakalahin’i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’i Josefa tany amin’ny tany Ejipta, dia i Manase sy i Efraima. Ny zanakalahin’i Benjamina dia i Bela, i Bekera, i Asbela, i Gera, i Namàna, i Ehy, i Rosy, i Mopima, i Hopima ary i Arda. Ireo no zanakalahin’i Rahely naterany tamin’i Jakoba. Efatra amby folo no isan’izy rehetra. Ary ny zanakalahin’i Dana dia i Hosima. Ny zanakalahin’i Naftaly dia i Jaziela, i Gonỳ, i Jezera ary i Silema. Ireo no zanakalahin’i Bila, izay nomen’i Labana an’i Rahely zanany vavy, ary ireo no naterak’i Jakoba. Fito no isan’izy rehetra. Ny isan’izay rehetra nankany Ejipta niaraka tamin’i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin’ny zanakalahin’i Jakoba, dia enina amby enimpolo. Ny zanakalahin’i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ny isan’ny terak’i Jakoba rehetra izay tonga tany Ejipta dia fitopolo. Ary nirahin’i Jakoba hialoha azy any amin’i Josefa i Joda mba hanoro lalana azy ho any Gosena. Dia tonga tany amin’ny tany Gosena izy. Ary nampanamboatra ny kalesiny i Josefa dia niakatra hitsena an’Israely rainy tany Gosena. Raha vao hitan’Israely i Josefa dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo. Ary hoy Israely tamin’i Josefa: Aoka ho faty amin’izay aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao! Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny sy ny ankohonan’ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin’i Farao ka hiteny aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan’ny raiko, izay tany amin’ny tany Kanana, dia tonga atỳ amiko. Mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, mpiompy omby aman’ondry izy ireo. Noentiny avokoa ny ondry aman’osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany. Koa raha miantso anareo i Farao ka miteny hoe: Inona no raharaha fanaonareo, dia valio hoe: Miompy omby aman’ondry no raharaha fanaon’ny mpanomponao. Hatry ny fony vao zaza ka mandraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay. Amin’izay dia hahazo honina ao amin’ny tany Gosena ianareo satria zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana ny mpiandry ondry rehetra. Dia nankao amin’i Farao i Josefa ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko miaraka amin’ny ondry aman’osiny ary ny ombiny mbamin’izay rehetra ananan’izy ireo dia tonga avy tany amin’ny tany Kanana; koa indreo, eo amin’ny tany Gosena izy. Ary nalainy ny dimy tamin’ireo rahalahiny ka noentiny teo anatrehan’i Farao. Hoy i Farao tamin’ireo rahalahin’i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy ireo tamin’i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin’ny razanay. Hoy koa izy ireo tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no niavianay fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman’osin’ny mpanomponao intsony any amin’ny tany Kanana satria mafy ny mosary any. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao! Hoy i Farao tamin’i Josefa: Ny rainao sy ny rahalahinao dia efa tonga atỳ aminao. Eo anoloanao ny tany Ejipta; koa amin’izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao. Aoka honina ao amin’ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy dia tendreo izy ho lehiben’ny mpiandry ny omby aman’ondriko. Noentin’i Josefa ho eo anatrehan’i Farao i Jakoba rainy; dia nisaotra an’i Farao i Jakoba. Hoy i Farao tamin’i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? Dia hoy i Jakoba tamin’i Farao: Telopolo amby zato taona no andro nivahinianako. Sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy mba nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny andro nivahiniany. Rehefa avy nisaotra an’i Farao i Jakoba dia niala teo anatrehany. Dia namponenin’i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zaratany tao amin’ny tany Ejipta, dia tao amin’ny tany tsara indrindra, tao amin’ny tany Ramesesa, araka izay nandidian’i Farao azy. Ary i Josefa no niantoka izay rehetra nilain’ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan’ny rainy rehetra, araka ny isan’ny zanany avy. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sakafo teo amin’ny tany rehetra; mafy indrindra ny mosary ka reraka ny tany Ejipta sy ny tany Kanana. Nangonin’i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana, dia izay vidin’ny vary lafo tamin’ny olona. Nampidirin’i Josefa tao an-tranon’i Farao ireny vola ireny. Rehefa tapitra avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana dia nankeo amin’i Josefa ny Ejiptiana rehetra ka niteny hoe: Omeo hanina re izahay! Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? Efa lany avokoa ny vola! Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola. Dia noentin’izy ireo tany amin’i Josefa ny omby aman’ondriny ka natakalon’i Josefa hanina ny soavaly mbamin’ny ondry aman’osy ary ny omby sy ny borikin’izy ireo. Nomeny hanina izy ireo tamin’izany taona izany ho takalon’ny bibiny rehetra. Rehefa tapitra io taona io dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ny taona faharoa ka niteny taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’Itompokolahy fa lany ny vola ary efa lasan’Itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ny tompokolahy afa-tsy ny vatan-tenanay sy ny taninay. Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay, dia izahay sy ny taninay? Atakalozy hanina ny tenanay sy ny taninay dia ho mpanompon’i Farao izahay sy ny taninay. Omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. Dia novidin’i Josefa ho an’i Farao ny tany Ejipta manontolo; fa samy nanakalo ny sahany avy ny Ejiptiana, satria mafy tamin’izy ireo ny mosary. Koa lasan’i Farao ny tany. Nafindrany ho any amin’ny tanàna rehetra hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta manontolo ny olona. Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara avy tamin’i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’i Farao azy. Izany no tsy nanakalozany ny tanin’izy ireo. Dia hoy i Josefa tamin’ny olona: Indro, efa voavidiko ho an’i Farao androany ianareo sy ny taninareo; koa indreny ny voa hafafinareo ka fafazonareo ny tany. Ary rehefa misy vokatra dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ho anareo kosa ny ampahany efatra sisa ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary ho sakafon’ny zanakareo. Ary hoy izy ireo: Efa namonjy ny ainay ianao. Aoka mba hahita fitia eto imason’Itompokolahy izahay dia ho mpanompon’i Farao! Nataon’i Josefa ho lalàna tany amin’ny tany Ejipta mandraka androany izany. Ho an’i Farao ny ampahadimin’ny vokatra; ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao. Ary nonina tao amin’ny tany Ejipta, tao amin’ny tany Gosena Israely. Nahazo zaratany tao izy, dia nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra. Fito amby folo taona ny andro niainany tao amin’ny tany Ejipta; noho izany ny andro rehetra niainan’i Jakoba dia fito amby efapolo amby zato taona. Rehefa antomotra ny andro hahafatesan’Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy ka niteny taminy hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonao aho dia miangavy anao: Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao ka ataovy amiko izay soa sy izay marina! Miangavy anao aho: Aza alevina atỳ Ejipta aho! Fa rehefa modimandry any amin’ny razako aho dia hoentinao hiala atỳ Ejipta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy i Josefa: Hataoko izany araka ny teninao. Ary hoy i Jakoba: Mianiàna ary amiko. Dia nianiana taminy i Josefa. Dia niankohoka teo an-dohan’ny farafara Israely. Rehefa afaka izany dia nisy nilaza tamin’i Josefa hoe: Indro, marary ny rainao. Dia noentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima, zanany mirahalahy. Ary nisy nilaza tamin’i Jakoba hoe: Indro, tamy ho etỳ aminao i Josefa zanakao. Dia nanatanja-tena Israely ka niarina teo ambonin’ny farafara. Ary hoy i Jakoba tamin’i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ny tany Kanana ary nitahy ahy ka niteny tamiko hoe: Indro, hahamaro ny taranakao Aho, hampitombo anao sy hahatonga anao ho firenena maro ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay. Ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay naterakao tatỳ amin’ny tany Ejipta fony tsy mbola tonga tatỳ aminao teto Ejipta aho, dia ho Ahy: Eny, ho Ahy i Efraima sy i Manase, tahaka an’i Robena sy i Simeona. Fa ny zanakao izay haterakao aorianan’izy mirahalahy kosa dia ho anao ary ny anarany dia hatao amin’ny anaran’ny rahalahiny eo amin’ny zarataniny. Raha niala tany Padana-Arama aho dia maty teo anatrehako Rahely, tany amin’ny tany Kanana, teny an-dalana, rehefa kely foana no tsy nahatongavana tao Efrata ary teo amoron’ny lalana mankany Efrata na Betlehema no nandevenako azy. Ary rehefa hitan’Israely ny zanak’i Josefa dia hoy izy: Iza moa ireo? Dia hoy i Josefa tamin’ny rainy: Zanako ireto nomen’Andriamanitra ahy tatỳ. Dia hoy Israely: Ento eto amiko ary izy mba hotsofiko rano. Ary satria efa pahina ny mason’Israely noho ny fahanterany ka tsy nahita intsony izy dia noentin’i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary nanoroka sy namihina azy ireo Israely. Ary hoy izy tamin’i Josefa: Tsy nanampo hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro Andriamanitra nampahita ahy ny zanakao koa! Ary nampiala azy mirahalahy teo amin’ny lohalik’Israely i Josefa dia niankohoka tamin’ny tany. Dia notantanan’i Josefa izy mirahalahy: I Efraima, tamin’ny tanany havanana, ho eo ankavian’Israely, ary i Manase tamin’ny tanany havia, ho eo amin’ny ankavanan’Israely, ka noentiny nanatona azy. Dia natsotran’Israely ny tanany havanana ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima nefa izy no zandriny, fa ny tanany havia kosa no nataony teo amin’ny lohan’i Manase; izany hoe nampifandikainy ny tanany nefa i Manase no lahimatoa. Dia nitsodrano an’i Josefa izy ka niteny hoe: Andriamanitra izay nandehanan’i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, ary ilay Anjely izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra, Izy anie hitahy ireto zaza ireto! Aoka ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy; ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ny tany anie izy ireo! Rehefa hitan’i Josefa fa teo amin’ny lohan’i Efraima ny rainy no nametraka ny tanany havanana dia tsy sitrany izany ka noraisiny ny tanan’ny rainy, mba hampiala azy amin’ny lohan’i Efraima ho amin’ny lohan’i Manase, sady hoy i Josefa tamin’ny rainy: Tsy izao no izy, ry Ikaky! Fa ity no lahimatoa ka apetraho eo amin’ny lohany ny tananao havanana. Tsy nety anefa ny rainy ka niteny hoe: Fantatro ihany, anaka! Fantatro ihany! Izy koa ho tonga firenena ary koa ho lehibe; kanefa ny zandriny dia ho lehibe noho izy ary ny taranany dia ho firenena maro. Dia nitsodrano azy ireo izy tamin’io andro io ka niteny hoe: Ny anaranareo no hoentin’ny Israely hitsofana rano, hoe: Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy tahaka an’i Manase anie ianao! Koa i Efraima no nataony alohan’i Manase. Ary hoy Israely tamin’i Josefa: Indro, ho faty aho. Andriamanitra anefa homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ny tanindrazanareo. Ary izaho dia manome anao zaratany iray ho tombony amin’ny anjaran’ny rahalahinao; zaratany nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako teo an-tanan’ny Amorita io. Ary namory ireo zanany lahy i Jakoba ka niteny hoe: Mivoria ianareo mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo amin’ny ho avy. Miangòna ka mihainoa, ry zanakalahin’i Jakoba, eny, mihainoa an’Israely rainareo: Ry Robena, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ny tanjako; manana tombom-pisandratana, manana tombon-kery. Mandroadroatra toy ny rano anefa ianao ka tsy hanana tombony intsony, satria niakatra tamin’ny fandrianan’ny rainao ianao, ary tamin’izany no nandotoanao azy. Endre, ny farafarako lahy ka niakarany! I Simeona sy i Levy dia niray saina; fiadiana mandoza ny sabany; tsy hiditra amin’izay fiokoany aho ary tsy hiray amin’izay fivoriany! Satria tamin’ny fahatezerany no namonoany olona ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby. Ho voaozona anie ny fahatezerany, satria nasiaka izany ary ny fahavinirany, satria loza izany! Hampihahakahaka azy eny amin’i Jakoba aho ary hanely azy eny amin’ny Israely. Ry Joda, hoderain’ny rahalahinao ianao. Ny tananao dia ho ao amin’ny vozon’ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao. Zanaka liona i Joda. Avy niremby ianao, anaka! Mamitsaka, mandry toy ny liona izy, toy ny liom-bavy, koa iza no hanaitra azy? Ny tehim-panjakana dia tsy hiala amin’i Joda ary ny tehim-panapahana dia tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo ka hanoa azy ny firenena maro. Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ny tahom-boaloboka izy ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ny tahom-boaloboka tsara; manasa ny fitafiany amin’ny divay izy ary ny akanjony amin’ny ram-boaloboka. Mivoaramena ny masony noho ny divay ary fotsy ny nifiny noho ny ronono. I Zebolona dia honina eo amoron-dranomasina, eny amoron-dranomasina misy ny fitodian-tsambo, ary ny sisintaniny dia hifanolotra amin’i Sidona. Isakara dia boriky henjana mandry eny anelanelan’ny vala. Nony hitany fa tsara ny toeram-pialan-tsasatra sady mahafinaritra ny tany dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra. I Dana dia hitsara ny olony tahaka ny iray amin’ireo fokon’ny Israely. I Dana dia ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, manaikitra ny kitrokelin’ny soavaly ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy. Ny famonjenao no andrasako, TOMPO ô! I Gada dia misy andian-jiolahy manafika azy fa izy kosa dia hamely am-pitaka. Ao amin’i Asera ny sakafo matavy ka izy no hanome sakafo matsiro ny mpanjaka. I Naftaly dia dieravavy tsy voafehy; mpanome teny mahafinaritra izy. I Josefa dia sampana mahavokatra; eny, sampana mahavokatra eo anilan’ny loharano; ny rantsany dia mananika mihoatra ny fefy. Nampahory azy ny mpitifitra, nitifitra sy nanenjika azy; kanefa mateza hery ny tsipìkany ary mailamailaka ny sandriny, noho ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba, noho ny Mpiandry, izay Vatolampin’Israely, noho Andriamanitry ny rainao ka Izy no hamonjy anao; noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao, dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo. Ny tsodranon’ny rainao dia mahery noho ny tsodranon’ireo havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’i Josefa izany, ho eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny. I Benjamina dia amboadia mamiravira; nony maraina izy dia homan-dremby, nony hariva mizara babo. Ireo rehetra ireo no fokon’ny Israely roa amby folo. Izany no nolazain’ny rainy taminy sy nitsofany rano azy. Samy araka ny tsodrano izay tokony ho azy ireo avy no nitsofany rano azy ireo. Dia nanafatra an’i Josefa i Jakoba ka niteny taminy hoe: Efa madiva hangonina any amin’ny razako aho; aleveno any amin’ny razako aho, dia ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny sahan’i Efrona hetita, ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Saraha vadiny; tao koa no nandevenana an’Isaka sy i Rebeka vadiny; tao koa no nandevenako an’i Lea. Ny saha sy ny zohy ao anatiny dia novidina tamin’ny taranak’i Heta. Rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanany lahy rehetra dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka nangonina any amin’ny razany. Ary nihohoka tamin’ny tavan’ny rainy i Josefa ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo. Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana. Nony tapitra ny andro nisaonana azy dia hoy i Josefa tamin’ireo tao an-tranon’i Farao hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonareo aho dia miangavy anareo, mitenena amin’i Farao ka lazao aminy hoe: Ny raiko dia efa nampianiana ahy hoe: Indro, ho faty aho. Koa ao amin’ny fasako, izay nohadiko any amin’ny tany Kanana, ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hiakatra handevina ny raiko aho dia hiverina atỳ indray. Ary hoy i Farao: Miakara ary ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao. Dia lasa niakatra handevina ny rainy i Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon’i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin’ny tany Ejipta ary ny ankohonan’i Josefa rehetra sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan’ny rainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman’osiny ary ny ombiny ihany no navelany tao amin’ny tany Gosena. Nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly koa niara-niakatra taminy ka lehibe dia lehibe ny toby. Rehefa tonga teo Gorena-Atada izay any andafin’ny Jordana izy ireo dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo. Nisaona ny rainy hafitoana i Josefa. Rehefa hitan’ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Gorena-Atada dia hoy izy ireo: Fisaonana lehibe amin’ny Ejiptiana izao! Izany no nanaovany ny anarany hoe Abela-Ejiptiana, any andafin’i Jordana. Ary nanatanteraka taminy izay rehetra nandidiany azy ny zanakalahin’i Jakoba, dia nitondra azy tany amin’ny tany Kanana ka nandevina azy tao amin’ny zohy ao amin’ny saha Makpela, tandrifin’i Mamre, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana. Rehefa voalevina ny rainy dia niverina tany Ejipta i Josefa sy ny rahalahiny mbamin’izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. Rehefa hitan’ny rahalahin’i Josefa fa maty ny rainy dia hoy izy ireo: Sao dia hankahala antsika i Josefa ka hamaly antsika tokoa noho ny ratsy rehetra nataontsika taminy! Koa nandefa iraka nankany amin’i Josefa izy ireo ka niteny hoe: Nanafatra ny rainao, fony izy tsy mbola maty, hoe: Izao no holazainareo amin’i Josefa: Mamelà re ny fahadisoan’ny rahalahinao sy ny fahotany fa nanao ratsy taminao izy! Eny, mamelà ankehitriny ny fahadisoan’ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao! Nitomany i Josefa rehefa niteny izany taminy izy ireo. Koa nanatona azy ny rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: Aza matahotra! Moa solon’Andriamanitra va aho? Ianareo no nisaina hanisy ratsy ahy fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, mba hahatonga izany ho tahaka ny amin’izao anio izao, hamelona olona betsaka. Ankehitriny, aza matahotra ianareo, fa izaho no hiantoka anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nilaza teny malefaka taminy izy. Ary i Josefa sy ny ankohonan’ny rainy dia nonina tany Ejipta. Folo amby zato taona ny andro niainan’i Josefa. Hitan’i Josefa ny zafiafin’i Efraima; ny zanak’i Makira, zanakalahin’i Manase koa dia naterak’i Josefa teo am-pofoany. Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Ho faty aho nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra anareo hiala amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba mba homena azy ireo. Ary nampianiana ny zanak’Israely i Josefa ka niteny hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala eto ianareo. Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy ka napetraka tao anatin’ny vata iray tany Ejipta. Ireto ny anaran’ny Zanak’Israely izay niaraka tamin’i Jakoba nankany Ejipta; samy nandeha mbamin’ny ankohonany avy izy rehetra: I Robena, i Simeona, i Levy ary i Joda; Isakara, i Zebolona, i Benjamina; i Dana, i Naftaly, i Gada ary i Asera. Fitopolo ny isan’ny olona rehetra naterak’i Jakoba. I Josefa dia efa tany Ejipta rahateo. Ary maty i Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’izany taranaka rehetra izany. Ary niteraka maro ny Zanak’Israely ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nitombo hery hatrany ka henika azy ny tany. Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Ejipta, izay tsy nahafantatra an’i Josefa. Izy io no niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro, efa maro sy mahery noho isika ny firenen’ny Zanak’Israely. Andeha hitadiavantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, koa raha toa ka misy ady dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika ary hiakatra hiala amin’ny tany izy ireo. Dia nanendreny mpifehy izy mba hampahory azy ireo amin’ny fanompoana mafy. Ary nanao tanàna fitahirizana ho an’i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa. Nefa arakaraka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa ka natahotra ny Zanak’Israely fatratra ny Ejiptiana. Dia nampanompoin’ny Ejiptiana mafy ny Zanak’Israely ka nataony nitondra faisana tamin’ny fanompoana mafy, ny fanaovana feta sy biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy mafy. Ary hoy ny mpanjakan’i Ejipta tamin’ny mpampivelona hebreo, Sifra no anaran’ny iray, ary Poa no anaran’ny iray: Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo ka hitanareo fa zazalahy dia vonoy, fa raha zazavavy kosa dia velomy. Nefa natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona dia tsy nanatanteraka izay nolazain’ny mpanjakan’i Ejipta taminy fa novelominy ihany ny zazalahy. Dia niantso ireo mpampivelona ny mpanjakan’i Ejipta ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no nanao izao ka novelominareo ihany ny zazalahy? Fa hoy ireo mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptiana ny vehivavy hebreo fa matanjaka be izy, koa raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona dia efa teraka sahady izy. Dia nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona; ary nihamaro sy nihanahery indrindra ny olona. Ary tamin’izany, satria natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona, dia nomen’Andriamanitra taranaka izy. Dia nandidy ny vahoakany rehetra i Farao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia atsipazo any amin’ny ranon’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy. Nisy lehilahy iray avy amin’ny ankohonan’i Levy lasa naka vady tamin’ny zanakavavin’i Levy. Dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy. Ary rehefa hitany fa zaza tsara tarehy ilay izy dia nafeniny telo volana. Ary rehefa tsy azony nafenina intsony dia naka vata kely zozoro izy ka nopetahany godorao sy dity ilay vata kely, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ny Neily ny vata kely. Ary nijanona teny lavidavitra teny ny anabaviny mba hahitany izay hanjo azy. Dia nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao amin’ny Neily fa ny mpanompovaviny dia nitsangantsangana teny amoron’ny Neily; koa raha nahita ilay vata kely teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy mba haka izany. Nony nosokafany dia hitany ny zazakely; ary indro zazalahy mitomany. Dia onena azy izy ka niteny hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity! Fa hoy ilay anabavin’ny zazakely tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy hebreo va aho hankaty aminao mba hataonao mpitaiza azy? Dia hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa Razazavavy niantso ny renin’ny zaza. Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Ento ity zaza ity, fa ianao no ataoko mpitaiza azy, ary izaho no handoa ny karamanao. Dia noentin-dRavehivavy ny zaza ka nampinonoiny. Ary rehefa lehibe ny zaza dia noentiny tao amin’ny zanakavavin’i Farao ka tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy, fa hoy izy: Satria tamin’ny rano no nakako azy. Tamin’izany andro izany, rehefa lehibe i Mosesy, dia nandeha nankany amin’ireo rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy ary nahita lehilahy ejiptiana nikapoka ny iray tamin’ny Hebreo rahalahiny. Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Ejiptiana ary nasitriny tao anaty fasika ny fatiny. Ny ampitson’iny, nandeha indray izy, ary indreo, nisy Hebreo roa lahy niady. Dia hoy izy tamin’ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao? Fa hoy izy: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va Ialahy, tahaka ny namonoan’Ialahy ilay Ejiptiana? Dia raiki-tahotra i Mosesy ka niteny hoe: Hay tena fantatr’olona izany ny raharaha! Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy. Ary ny mpisorona tany Midiana dia nanana zanaka fito mirahavavy. Tonga teo amin’ny fantsakana izy ireo nanovo rano ka nameno ny fampisotroan-drano, hampisotroany ny ondry aman’osin-drainy. Nefa tonga teo kosa ny lehilahy mpiandry ondry sasany ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana i Mosesy namonjy azy dia nampisotro rano ny ondry aman’osiny. Rehefa tonga teo amin’i Regoela rainy izy fito mirahavavy ireo dia hoy ny rainy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izao ianareo androany? Hoy izy ireo: Nisy lehilahy ejiptiana iray namonjy anay tamin’ny tanan’ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, no nampisotro ny ondry aman’osy. Ary hoy izy tamin’ireo zanany vavy: Koa aiza izy izany? Nahoana no nilaozanareo any izao lehilahy izao? Antsoy izy mba hihinan-kanina. Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy. Dia niteraka zazalahy Ravehivavy, ary ny anarany nataon’i Mosesy hoe Gersoma; fa hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tany hafa aho. Taona maro taorianan’izany dia maty ny mpanjakan’i Ejipta; ary ny Zanak’Israely dia nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; dia niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany. Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany. Ary Andriamanitra nahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba. Ary Andriamanitra nijery ny Zanak’Israely. Ary Andriamanitra nahafantatra azy. Ary i Mosesy dia niandry ny ondry aman’osin’i Jetro rafozany, mpisorona tany Midiana, dia nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny tany efitra ka tonga tany Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO niseho taminy tao anaty lelafo teo amin’ny roimemy iray ka hitany fa indro, nirehitra afo ilay roimemy kanefa tsy levona. Dia hoy i Mosesy: Hivily kely hijery io fisehoan-javatra hafakely io aho. Nahoana no tsy levona io roimemy io? Rehefa hitan’NY TOMPO fa nivily mba hizaha izy dia niantso azy avy tao afovoan’ny roimemy Andriamanitra ka niteny hoe: Ry Mosesy! Ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho! Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory amin’ny tongotrao ny kapanao fa tany masina io ijoroanao io. Hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra hijery an’Andriamanitra izy. Ary hoy NY TOMPO: Hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Ejipta, ary reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. Koa midina Aho izao hanafaka azy amin’ny tanan’ny Ejiptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita. Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan’ny Zanak’Israely dia tonga atỳ Amiko, sady hitako koa ny fampahoriana izay ampahorian’ny Ejiptiana azy. Koa avia ianao ankehitriny hirahiko ho any amin’i Farao hitondra ny Zanak’Israely oloko hivoaka avy any Ejipta. Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’i Farao ka hitondra ny Zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta? Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho! Ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no naniraka anao: Rehefa entinao mivoaka avy any Ejipta ny olona dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo. Hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Israely aho ka hiteny aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, dia hiteny amiko izy hoe: Iza moa no anarany? Dia ahoana no havaliko azy? Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izaho izay Izy. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Izaho izay Izy no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no ho anarako mandrakizay ary izany no hiantsoana Ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Mandehana, vorio ny loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, no niseho tamiko ka niteny hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny manjo anareo atỳ Ejipta, koa hoy Aho hoe: Hitondra anareo hiakatra Aho mba ho afaka amin’ny fahoriana atỳ Ejipta, ho any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely. Dia hihaino ny feonao izy. Hankao amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ireo loholon’ny Israely ka hilaza aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no nihaona taminay. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray. Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan’ny mpanjakan’i Ejipta handeha ianareo, tsia, na dia amin’ny tanana mahery aza. Dia hanatsotra ny tanako Aho ka hamely an’i Ejipta amin’ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy. Aorianan’izay vao handefa anareo izy. Ary hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptiana ity firenena ity, koa rehefa mandeha ianareo dia tsy mba handeha tanam-polo. Fa ny vehivavy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ny mpiray monina aminy sy amin’izay mivahiny ao an-tranony; dia hampanaovinareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany ka hofoananareo ny harenan’i Ejipta. Dia namaly i Mosesy hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy ireo fa hilaza hoe: Tsy niseho taminao NY TOMPO! Hoy NY TOMPO taminy: Inona moa iny an-tananao iny? Dia hoy izy: Tehina. Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ny tany izany ka tonga menarana ary nandositra azy i Mosesy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ny tananao ka raiso amin’ny rambony iny. Dia natsotrany ny tanany ka noraisiny izany ary tonga tehina teo an-tanany indray. Izany dia mba hinoan’ireo fa efa niseho taminao NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba. Hoy koa NY TOMPO taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tanany, koa nony notsoahiny dia indro, boka ny tanany ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary hoy indray Izy: Atsofohy ao amin’ny tratranao indray ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany indray ny tanany, koa nony notsoahiny tamin’ny tratrany dia indro, niverina tahaka ny teo aloha indray. Raha tsy hino anao izy ireo ka tsy hihaino ny feon’ny famantarana voalohany dia hino ny feon’ny famantarana manaraka. Raha toa ka tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na tsy hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao ka hararakao amin’ny tany maina izany; fa izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin’ny tany maina. Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tompo ô, mifona aminao aho, fa olona tsy mahay mandaha-teny, na hatramin’ny taloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; votsa vava sy miadam-piteny anie aho e! Dia hoy NY TOMPO taminy: Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? Tsy Izaho TOMPO va? Koa ankehitriny, mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. Nefa hoy izy: Tompo ô, mifona aminao aho, iraho izay hafa tianao hirahina. Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Tsy ao ihany va i Arona levita rahalahinao? Fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy. Koa rehefa mahita anao izy dia ho faly ny fony. Dia hiteny aminy ianao ka hametraka ny teny ao am-bavany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo. Ary izy no ho solovavanao hiteny amin’ny olona, ary ianao kosa dia ho solon’Andriamanitra ho azy. Dia hoentinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo. Dia lasa nandeha i Mosesy ka niverina nankany amin’i Jetro rafozany ary niteny taminy hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hiverina any amin’ny rahalahiko izay any Ejipta ka hijery na mbola velona ihany izy na tsia. Ary hoy i Jetro tamin’i Mosesy: Mandehana amin’ny fiadanana! Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty ny olona rehetra izay nifofo ny ainao. Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Amin’izao fiverenanao mankany Ejipta izao, indreo ireo famantarana rehetra izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao, fa Izaho hanamafy ny fony ka tsy handefa ny olona izy. Dia lazao amin’i Farao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Israely no zanako lahy, lahimatoako. Koa efa nolazaiko taminao hoe: Avelao ny zanako handeha mba hanompo Ahy; kanjo nandà tsy namela azy handeha ianao; koa indro Aho hamono ny zanakao lahy, ny lahimatoanao. Nony tany an-dalana, tao amin’ny fandriam-bahiny i Mosesy, dia nitsena azy NY TOMPO ka nitady hamono azy. Dia naka fiharatra vato i Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia nakasony ny tongony ka hoy izy: Vady azoko tamin’ny fandatsahan-dra ianao! Dia niala taminy Izy rehefa hoy Ravehivavy hoe: Vady azo tamin’ny fandatsahan-dra ianao, noho ny famorana. Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy. Ary nambaran’i Mosesy tamin’i Arona izay teny rehetra nanirahan’NY TOMPO azy sy izay famantarana rehetra nandidiany azy. Dia lasa nandeha i Mosesy sy i Arona ka nanangona ny loholon’ny Zanak’Israely rehetra. Dia nolazain’i Arona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy sady nataony teo imason’ny olona ny famantarana. Dia nino ny olona. Rehefa reny fa NY TOMPO efa namangy ny Zanak’Israely ka efa nitsinjo ny fahoriany dia niankohoka tamin’ny tany izy ka nivavaka. Rehefa afaka izany dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Avelao ny oloko handeha mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-tany efitra. Hoy anefa i Farao: Iza moa NY TOMPO no hekeko teny ka hamelako ny Israely handeha? Tsy fantatro izay TOMPO ka tsy havelako handeha ny Israely. Dia hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo no nihaona taminay. Koa trara antitra ianao, avelao izahay handeha lalan-kateloana any an-tany efitra hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray, fandrao hamely anay amin’ny areti-mandringana na amin’ny sabatra Izy. Dia hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy i Arona, no manakivy ny olona amin’ny asany? Mandehana any amin’ny asa fanompoanareo! Ary hoy koa i Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ny tany ka hampitsahatra azy amin’ny fanompoany va ianareo? Io andro io ihany, i Farao dia nandidy ireo mpampiasa ny vahoaka sy ireo mpifehy azy hoe: Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; izy ihany no aoka handeha hanangona mololo! Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola ampanaovy azy ihany fa aza ahenanareo; kamo mantsy izy ireo, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitray! Hamafiso ny fanompoan’ny olona mba ho lany andro amin’izany izy, fa aza avela ho variana amin’izay lainga foana! Dia nandeha ny mpampiasa ny olona mbamin’ny mpifehy azy ka niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’i Farao: Tsy hanome mololo anareo intsony aho; fa mandehana ianareo ka manangòna mololo any amin’izay hahitanareo any, ary ny fanompoanareo dia tsy hahena na dia kely akory aza. Dia niely manerana ny tany Ejipta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo. Ary ny mpampiasa dia nandodona azy ireo hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara fanompoana isanandro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany! Ary ny mpifehy ny Zanak’Israely izay notendren’ny mpampiasa avy amin’i Farao hifehy azy dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha? Dia nankao amin’i Farao ny mpampiasa ny Zanak’Israely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ny mpanomponao ianao? Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola tenenina ihany izahay hoe: Ataovy ny biriky! Ary indro izahay mpanomponao foana no nokapohina nefa ny vahoakanao no diso! Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO! Ankehitriny, mandehana, tanteraho ny fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo, nefa ny anjara birikinareo dia mbola hovitainareo ihany. Hitan’ireo mpifehy ny Zanak’Israely fa efa azon-doza izy noho ny nilazana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ny birikinareo amin’ny anjara fanompoana isanandro. Koa rehefa niala avy tao amin’i Farao izy ireo dia tafahaona tamin’i Mosesy sy i Arona izay nijanona niandry azy. Hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy i Arona: NY TOMPO anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’i Farao sy eo anatrehan’ny mpanompony izahay ka nasianareo sabatra eo an-tanany hamonoany anay. Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao? Fa hatrizay nankanesako tao amin’i Farao mba hiteny amin’ny anaranao izay dia nahatonga loza tamin’ity firenena ity izy; nefa Ianao tsy nanafaka ny olonao akory! Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Ankehitriny, ho hitanao izay hataoko amin’i Farao. Fa hisy tanana mahery hamelany azy handeha, ary hisy tanana mahery handroahany azy amin’ny taniny. Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: Izaho no TOMPO. Tamin’ny anarako hoe andriamanitra tsitoha no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, fa ny anarako hoe NY TOMPO tsy mbola nahafantarany Ahy. Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahinianany izay efa nitoerany toy ny mpivahiny. Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ny Zanak’Israely izay ampanompoin’ny Ejiptiana ka tsaroako ny fanekeko. Noho izany, lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Izaho no TOMPO; hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy izay ampanaovin’ny Ejiptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy; sandry atsotra sy fitsarana lehibe no hanavotako anareo. Dia halaiko ho Ahy ianareo mba ho oloko ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy izay ampanaovin’ny Ejiptiana anareo. Hampiditra anareo any amin’ny tany izay nananganako tanana mba homena an’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba Aho; dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO. Ary nilaza izany tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy. Nefa tsy nihaino an’i Mosesy izy ireo noho ny fahakiviany amin’ny fanompoana tsy ara-drariny. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandehana ka lazao i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamela ny Zanak’Israely hiala amin’ny taniny izy. Nefa niteny teo anatrehan’NY TOMPO i Mosesy hoe: Indro, na dia ny Zanak’Israely aza dia tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’i Farao ahy, nefa izaho dia tsy voafora molotra? Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona ka nanome teny azy momba ny Zanak’Israely sy momba an’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoahana ny Zanak’Israely avy amin’ny tany Ejipta. Ireto avy ny lohan’ny fianakaviany: Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy; ireo no fokom-pirenen’i Robena. Ary ny zanakalahin’i Simeona dia i Jemoela, i Jamina, i Ohada, i Jakina, i Zohara ary i Saoly, zanakalahin’ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen’i Simeona. Ary izao no anaran’ny zanakalahin’i Levy, araka ny taranany, dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary; fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levy. Ny zanakalahin’i Gersona dia i Libny sy i Simey, araka ny fokom-pireneny. Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata. Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ny levita, araka ny taranany. Ary i Amrama dia naka an’i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy taminy izy. Fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Amrama. Ary ny zanakalahin’i Jizara dia i Kora sy i Nefega ary i Zikry. Ny zanakalahin’i Oziela dia i Misaela sy i Elzafana ary i Sitirỳ. Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy. Ary ny zanakalahin’i Kora dia i Asira sy i Elkana ary i Abiasafa. Ireo no fokom-pirenen’ny Koraìta. Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona, dia naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, ary niteraka an’i Finehasa taminy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny levita, araka ny fokom-pireneny. Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’NY TOMPO hoe: Ento ny Zanak’Israely hivoaka avy any amin’ny tany Ejipta araka ny antokony. Ireo no niteny tamin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, fa hitondra ny Zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta. Ireo no Mosesy sy Arona. Tamin’ny andro izay nitenenan’NY TOMPO tamin’i Mosesy teo amin’ny tany Ejipta dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izaho no TOMPO. Lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao. Nefa niteny teo anatrehan’NY TOMPO i Mosesy hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, koa amin’ny fomba ahoana no hihainoan’i Farao ahy? Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Jereo, efa nataoko andriamanitra ho an’i Farao ianao; ary i Arona rahalahinao kosa dia ho mpaminaninao. Ianao no hilaza izay rehetra handidiako anao, ary i Arona rahalahinao kosa no hiteny amin’i Farao, mba hamelany ny Zanak’Israely hiala avy ao amin’ny taniny. Ary Izaho hanamafy ny fon’i Farao ka hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ny tany Ejipta. Tsy hihaino anareo i Farao ka hamely an’i Ejipta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon’ny Zanak’Israely oloko hiala amin’ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO, rehefa manatsotra ny tanako amin’i Ejipta Aho ka hitondra ny Zanak’Israely hivoaka avy eo anivony. Dia nataon’i Mosesy sy i Arona izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony. Valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Arona, fony niteny tamin’i Farao izy mirahalahy. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Raha miteny aminareo i Farao hoe: Manaova famantarana, dia lazao amin’i Arona hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan’i Farao dia ho tonga menarana iny. Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO. Natsipin’i Arona teo anatrehan’i Farao sy teo anatrehan’ny mpanompony ny tehiny ka tonga menarana. Nefa nampiantsoan’i Farao ny olon-kendry sy ny mpanao ody; ary ireo ombiasin’i Ejipta ireo dia mba nanao toy izany koa tamin’ny sikidiny. Dia samy nanipy ny tehiny avy izy ireo ka tonga menarana ireny. Nefa natelin’ny tehin’i Arona ny tehin’ireo. Dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mafy fo i Farao ka mandà tsy hamela ny olona handeha. Mankanesa ao aminy ianao rahampitso maraina; indro, handeha ho any amoron-drano izy; mijanòna eo amoron’i Neily ianao mandra-piaviny; ary ny tehina, ilay niova ho menarana, dia hoentinao eny an-tananao, dia lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hankaty aminao hilaza hoe: Avelao ny oloko handeha mba hanompoany Ahy any an-tany efitra. Nefa indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Izao no hahafantaranao fa Izaho no TOMPO: Indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily ka ho tonga ra izany. Dia ho faty ny hazandrano ao Neily ka ho maimbo i Neily, ary tsy ho afaka hisotro ny rano avy ao Neily intsony ny Ejiptiana. Nanafatra an’i Mosesy koa NY TOMPO hoe: Lazao amin’i Arona hoe: Raiso ny tehinao ka atsory eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia eny ambonin’ny sampan-dranony, eny ambonin’ny lakandranony, eny ambonin’ny heniheniny ary eny ambonin’ny kamoriny rehetra, mba ho tonga ra ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fitoeran-drano hazo na amin’ny fitoeran-drano vato. Nataon’i Mosesy sy i Arona, araka izay nandidian’NY TOMPO, izany ka nanainga ny tehina izy dia nikapoka ny rano tao Neily teo imason’i Farao sy teo imason’ny mpanompony, ary tonga ra ny rano rehetra tao Neily ka maty ny hazandrano izay tao amin’i Neily. Tonga maimbo i Neily ka tsy azon’ny Ejiptiana nosotroina ny rano avy ao. Ary ny ra dia nanerana ny tany Ejipta manontolo. Nefa mba nanao toy izany tamin’ny sikidiny koa ny ombiasy tany Ejipta dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. Niverina nankao an-tranony i Farao sady tsy mba nahoany akory ny zava-nitranga. Dia nihady rano hosotroiny teny amoron’i Neily teny ny Ejiptiana rehetra fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily. Fito andro no lasa taorianan’ny namelezan’NY TOMPO an’i Neily. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. Fa raha mandà tsy hamela azy handeha ianao, indro Aho hamely ny taninao rehetra amin’ny sahona; dia ho feno sahona i Neily, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambonin’ny farafaranao, any amin’ny tranon’ny mpanomponao, any amin’ny vahoakanao ary eny amin’ny fatanao sy eny amin’ny vilia fanaova-mofonao. Hiakaran’ny sahona eo aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra. Hoy koa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’i Arona hoe: Atsory ny tananao izay mitana ny tehinao eny ambonin’ny sampan-drano ary eny ambonin’ny lakandrano sy ny heniheny ka ampiakaro ny sahona ho eny amin’ny tany Ejipta. Ary natsotran’i Arona teo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tanany; dia niakatra ny sahona ka nanenika ny tany Ejipta. Ary mba nanao toy izany koa tamin’ny sikidiny ny ombiasy ka nampiakatra ny sahona ho eny amin’ny tany Ejipta. Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona i Farao ka niteny hoe: Mifonà ho ahy amin’NY TOMPO mba hampialany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako; fa havelako handeha ny olona mba hamonoany zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO. Fa hoy i Mosesy tamin’i Farao: Omena anao ny voninahitra hanendry izay fotoana hifonako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, koa dia ho ao Neily ihany sisa no hahitana izany. Dia hoy i Farao: Rahampitso. Ary hoy kosa i Mosesy: Aoka ary ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka NY TOMPO Andriamanitray. Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin’ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ka ho ao Neily ihany sisa no hahitana azy ireo. Dia niala teo amin’i Farao i Mosesy sy i Arona. Ary nitaraina mafy tamin’NY TOMPO i Mosesy ny amin’ny sahona izay efa namelezany an’i Farao. Dia nataon’NY TOMPO araka ny tenin’i Mosesy izany ka maty ny sahona teny amin’ny trano sy teny amin’ny tokotany ary tany an-tsaha. Dia nangonina hivangongo teny rehetra teny ireny ka tonga maimbo ny tany. Nony hitan’i Farao anefa fa nisy hiainana dia nanamafy ny fony indray izy ka tsy nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’NY TOMPO. Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’i Arona hoe: Atsory ny tehinao dia kapohy ny vovo-tany fa ho tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo izany. Dia notanterahiny izany ka natsotran’i Arona ny tanany izay mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany; dia nisy moka teny amin’ny olona sy teny amin’ny biby fiompy, satria tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra manerana ny tany Ejipta manontolo. Ary mba nanao toy izany tamin’ny sikidiny koa ny ombiasy mba hahatonga moka, kanjo tsy hainy. Teny amin’ny olona sy teny amin’ny biby fiompy ny moka. Dia hoy ny ombiasy tamin’i Farao: Rantsantanan’Andriamanitra ity! Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ka mijoroa eo anatrehan’i Farao fa indro, handeha ho any amoron-drano izy ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha hanompo Ahy. Fa raha tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro andefasako fihitra betsaka hamely anao, ny mpanomponao, ny vahoakanao ary ny tranonao, dia ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptiana sy ny tany izay itoerany koa. Nefa amin’izany andro izany dia havahako ny tany Gosena izay itoeran’ny oloko ka tsy mba hisy fihitra any, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO eo afovoan’ny tany. Dia hasiako fiavahana amin’ny oloko sy ny olonao. Rahampitso no hisian’ity famantarana ity. Nataon’NY TOMPO tokoa izany ka nisy fihitra be dia be tao amin’ny tranon’i Farao sy tao amin’ny tranon’ny mpanompony ary teny amin’ny tany Ejipta manontolo; koa simba ny tany noho ny fihitra. Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo ka mamonoa zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity ihany. Fa hoy i Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray; koa indro, raha izay zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay? Handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray, araka izay holazainy aminay. Dia hoy i Farao: Havelako handeha ihany ianareo mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo any an-tany efitra; kanefa izao: Aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mifonà ho ahy! Ary hoy i Mosesy: Indro, hiala eto aminao aho ka hangataka amin’NY TOMPO mba hialan’ny fihitra amin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa anefa tsy hamitaka intsony i Farao ka tsy hamela ny olona handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO indray. Ary niala teo amin’i Farao i Mosesy ka nifona tamin’NY TOMPO. Ary NY TOMPO nanatanteraka izany araka ny tenin’i Mosesy, dia nampiala ny fihitra rehetra tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireny. Kanjo nanamafy ny fony indray i Farao ka tsy namela ny olona handeha. Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ianao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. Fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha fa mbola mihazona azy ihany dia indro ny tanan’NY TOMPO ho amin’ny biby fiompinao izay any an-tsaha, dia amin’ny soavaly, amin’ny boriky, amin’ny rameva, amin’ny omby ary amin’ny ondry aman’osy ka hisy areti-mandringana faran’izay mafy. Ary NY TOMPO hanavaka ny biby fiompin’ny Israelita amin’ny bibin’ny Ejiptiana ka tsy hisy maty na dia iray akory aza izay rehetra an’ny Zanak’Israely. Dia nanendry fotoana NY TOMPO ka niteny hoe: Rahampitso no hanaovan’NY TOMPO izany zavatra izany eto amin’ny tany. Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza. Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy. Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Makà molaly avy amin’ny lafaoro lehibe, eran’ny tananao roa, ary aoka hafafin’i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason’i Farao izany. Dia hitora-jofo manerana ny tany Ejipta manontolo io ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy manerana ny tany Ejipta manontolo. Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy. Ary tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy ny ombiasy noho ny vay, satria ny vay dia nahavoa ny ombiasy mbamin’ny Ejiptiana rehetra. Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ianao dia mitsangàna eo anatrehan’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ Amiko hamely ny tenanao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra. Fa ankehitriny, raha izay Aho no nanatsotra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ny tany ianao. Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny mba hampahitako anao ny heriko, sy hanambaràna ny anarako any amin’ny tany rehetra. Mbola mirehareha amin’ny oloko ihany va ianao ka tsy hamela azy handeha? Indro, rahampitso toy izao Aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatramin’ny andro niorenany ka mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, maniraha olona mba hanangona haingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay tafajanona any an-tsaha tsy tafangona ao an-trano dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa. Ary izay natahotra ny tenin’NY TOMPO teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampandositra haingana ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’NY TOMPO kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao, ary aoka hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha manerana ny tany Ejipta. Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tehiny ka nalefan’NY TOMPO ny kotrokorana sy havandra ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ny tany. Ary NY TOMPO dia nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta. Dia nisy havandra, ary nisy afo nifanaretsaka teny anelanelan’ny havandra; mafy tokoa izany ary tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Ejipta manontolo hatrizay naha firenena azy. Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny. Fa tao amin’ny tany Gosena izay nitoeran’ny Zanak’Israely ihany no tsy mba nisy havandra. Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona indray i Farao ka niteny taminy hoe: Efa nanota aho tamin’izao indray mandeha izao, koa NY TOMPO no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka. Mifonà ho ahy amin’NY TOMPO fa ampy izay ny kotrokorana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo ka tsy hitoetra eto intsony. Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany. Kanefa fantatro fa tsy mbola hatahotra NY TOMPO Andriamanitra ihany ianao sy ny mpanomponao. Ary efa ripaka ny tahon-drongony sy ny varimbazaha; fa efa niteraka ny varimbazaha ary efa namony ny tahon-drongony. Fa ny varimbazaha sy ny ampemby no tsy mba ripaka satria mbola fohy ireny. Ary niala teo amin’i Farao i Mosesy ka nankeo ivelan’ny tanàna dia namelatra ny tanany tamin’NY TOMPO izy ka nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ny tany intsony. Nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana dia mbola nanota indray izy ka samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony. Dia nihamafy ny fon’ny Farao ka tsy nandefa ny Zanak’Israely izy, araka izay efa nampilazain’NY TOMPO an’i Mosesy. Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao, fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony mba hanehoako ireo famantarana izay hataoko eo aminy izao; ary mba hotantaraina ho ren’ny zanakao sy ny zafinao ny nanaovako ny Ejiptiana sy ny amin’ireo famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. Fa raha mandà ka tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro, hahatonga valala amin’ny taninao rehetra Aho rahampitso. Handrakotra ny tany rehetra ireny ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ny havandra izay navela ho anareo; hohaniny avokoa ny hazo rehetra any an-tsaha izay maniry ho anareo; hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Ejiptiana rehetra ireny. Tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao ny toy izany hatrizay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao. Ary hoy ny mpanompon’i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? Avelao handeha ireo olona ireo mba hanompo NY TOMPO Andriamaniny. Tsy mbola fantatrao va fa efa levona i Ejipta? Dia nisy nampiverina an’i Mosesy sy i Arona hankao amin’i Farao indray ka hoy izy taminy: Mandehana, manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo. Nefa iza avy moa no handeha? Dia hoy i Mosesy: Hoentinay handeha miaraka aminay ny tanora sy ny antitra eo aminay, ary handeha miaraka aminay koa ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy sy ny ondry aman’osinay ary ny ombinay; fa andro firavoravoanay ho an’NY TOMPO izany. Fa hoy i Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie NY TOMPO, raha hamela anareo handeha miaraka amin’ny zanakareo madinika aho; mitandrema fa manana teti-dratsy ianareo. Tsy ho araka izany anefa, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa NY TOMPO fa izany no tadiavinareo. Ary noroahina hiala teo anatrehan’i Farao izy roa lahy. Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra. Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ary NY TOMPO nampandeha rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany nandritra iny andro iny sy nandritra ny alina. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra avy any atsinanana. Ary ny valala dia niakatra ho amin’ny tany Ejipta manontolo, dia nipetraka manerana ny tany Ejipta manontolo; natevina dia natevina izany ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary any aorianany koa dia tsy hisy toy izany. Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha. Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona haingana i Farao ka niteny hoe: Efa nanota tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo sy taminareo aho. Ankehitriny, miangavy anao aho, mamelà ny fahotako izao indray mandeha izao ihany ka mifonà amin’NY TOMPO Andriamanitrareo mba hampialany amiko izao zava-doza iray loha izao. Dia niala teo amin’i Farao izy ka nifona tamin’NY TOMPO. Ary NY TOMPO nanodina ny rivotra ho rivotra tena mahery avy any andrefana, izay nitondra ny valala ka namarina azy tany amin’ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala manerana ny tany Ejipta manontolo, na dia iray aza. Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy. Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao mba hampisy haizina ao amin’ny tany Ejipta, dia haizina azo tsapain-tanana. Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tanany ka nisy haizim-pito naharitra hateloana nanerana ny tany Ejipta manontolo. Tsy nifankahita ny olona ary tsy nisy nihetsika tamin’izay nitoerany nandritra ny hateloana. Fa ny Zanak’Israely rehetra kosa dia nanana ny mazava teo amin’ny fonenany. Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa. Nefa hoy i Mosesy: Ianao no hanome ho eto an-tananay izay hatao fanatitra halatsa-dra sy fanatitra dorana manontolo hatolotray ho an’NY TOMPO Andriamanitray. Ny omby aman’ondrinay dia hoentinay hiaraka aminay koa; tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hakanay hanompoana NY TOMPO Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay hoentinay hanompoana NY TOMPO mandra-pahatonganay any. Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nety namela ny olona handeha izy. Hoy i Farao tamin’i Mosesy: Mialà amiko! Tandremo! Aza mahita ny tavako intsony ianao; fa amin’izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao! Namaly koa i Mosesy hoe: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho. Hoy anefa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mbola hahatonga loza iray amin’i Farao sy i Ejipta koa Aho. Aorianan’izany dia hamela anareo handeha hiala eto izy. Rehefa mamela anareo rehetra handeha izy dia ho may handroaka anareo hiala etỳ. Koa mitenena amin’ny olona ka ny lehilahy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ny namany avy ary ny vehivavy koa dia hangataka amin’ny namany avy. Dia nataon’NY TOMPO nahita fitia teo imason’ny Ejiptiana ny olona. Ary i Mosesy rahateo dia lehilahy nalaza indrindra teo amin’ny tany Ejipta, dia teo imason’ny mpanompon’i Farao sy teo imason’ny vahoaka. Hoy i Mosesy: Izao no lazain’NY TOMPO: Rehefa tokony ho misasakalina dia hankeo afovoan’i Ejipta Aho, dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny matoan’i Farao izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny matoan’ny mpanompovaviny izay eo anilan’ny fikosoham-bary ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Ary hisy fidradradradrana mafy manerana ny tany Ejipta manontolo, izay tsy mbola nisy tahaka izany sady tsy hisy tahaka izany intsony. Kanefa tsy hisy na dia amboa iray aza hanetsika ny lelany amin’ny Zanak’Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby, mba ho fantatrareo ny tsy fampitovian’NY TOMPO ny Ejiptiana sy ny Israely. Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hiteny hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao. Ary aorianan’izany dia handeha aho. Dia niala teo amin’i Farao tamin’ny fahatezerana mirehitra i Mosesy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Tsy hihaino anareo i Farao, mba hitomboan’ny famantarana izay hataoko eto amin’ny tany Ejipta. Ary nanao ireo famantarana rehetra ireo teo amin’i Farao i Mosesy sy i Arona; ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha hiala tamin’ny taniny ihany izy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona teo amin’ny tany Ejipta hoe: Ity volana ity no volana voalohany ho anareo; ho volana voalohany amin’ny taona ho anareo izany. Mitenena ianareo amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka haka zanak’ondry na zanak’osy iray avy ny isam-pianakaviana, zanak’ondry iray avy isan-trano. Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry. Zanak’ondry tsy misy kilema, na zanak’osy, ary lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izany. Hotahirizinareo hatramin’ny andro fahefatra amby folo amin’ity volana ity izany; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonan’ny Israely manontolo. Ary hakana ny ra ka hatentina amin’ny tolanam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanana azy. Dia hohanina amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanana azy, miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy. Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. Aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha toa ka misy sisa tsy lany ka tra-maraina dia hodoranareo amin’ny afo izany. Toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Ho voasikina ianareo, ary hisy kapa ny tongotrareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo; dia hohaninareo haingana izany, fa Paska an’NY TOMPO. Fa handeha hamakivaky ny tany Ejipta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hanao fitsarana amin’ireo andriamanitry ny Ejiptiana rehetra Aho. Izaho no TOMPO. Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho. Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra. Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza no hihinana mofo misy masirasira manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho eo amin’ny Israely izy. Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary amin’ny andro fahafito koa dia hisy fivoriana masina. Tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ireo andro ireo, afa-tsy izay hohanin’ny olona tsirairay, dia izany ihany no hamboarinareo. Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa tamin’izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; koa hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ho lalàna maharitra. Amin’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany, amin’ny hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira, hatramin’ny harivan’ny andro fahiraika amby roapolo amin’ny volana. Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’ny Israely, na vahiny na tompon-tany. Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’izay itoeranareo rehetra avy. Dia niantso ny loholon’ny Israely rehetra i Mosesy ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo dia makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy ka vonoy ny Paska. Dia makà hisopa iray fihina ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly, ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia ahosory amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa. Aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-paharain’ny andro. Fa handeha hamely ny Ejiptiana NY TOMPO; ary raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa NY TOMPO dia handalo fotsiny ny varavarana ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. Ary hitandrina izany zavatra izany ianareo ho lalàna maharitra ho anareo sy ho an’ny taranakareo. Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’NY TOMPO anareo araka izay nolazainy ianareo dia tandremo izany fanompoana izany. Raha manontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao? Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paska an’NY TOMPO, izay nandalo fotsiny ny tranon’ny Zanak’Israely tany Ejipta; raha namely ny Ejiptiana Izy dia namonjy ny tao an-tranontsika kosa. Dia niankohoka tamin’ny tany ny olona ka nivavaka. Ary nandeha ny Zanak’Israely ka nanatanteraka izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony. Nony misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta NY TOMPO, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Ary raha mbola alina dia nifoha i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejiptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Ejipta satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona izy tamin’iny mbola alina iny ka niteny hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’Israely ary mandehana ka manompoa NY TOMPO araka ny nolazainareo. Ary ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo ka mandehana; ary mba tsofy rano aho! Dia nandodona ny olona ny Ejiptiana ka nampandeha azy haingana hiala tamin’ny tany satria hoy izy: Ho faty avokoa izahay rehetra! Dia noentin’ny olona ny kobany efa voalena, raha tsy mbola tonga masirasira, sy ny vilany famolavolana koba, voafehy tamin’ny lambany teny an-tsorony. Ary nanaraka ny tenin’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptiana. Fa nataon’NY TOMPO nahita fitia teo imason’ny Ejiptiana ny olona ka nomen’ireo azy izay nangatahiny. Nofoanany tamin’izany ny Ejiptiana. Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’Israely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy. Ary nisy olona maro samihafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’osy sy omby, dia fananana be tokoa. Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory. Ny andro nitoeran’ny Zanak’Israely tany Ejipta dia telopolo sy efajato taona. Rehefa tapitra ny telopolo sy efajato taona dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ireo antoko rehetra izay an’NY TOMPO avy tany amin’ny tany Ejipta. Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Izao no fitsipiky ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hahazo hihinana azy. Ny mpanompolahy rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao hahazo hihinana. Ny vahiny sy ny mpikarama kosa dia tsy mba hihinana azy. Ao amin’ny trano iray ihany no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny alatrano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza. Ny fiangonan’ny Israely manontolo no hitandrina izany. Raha misy mivahiny eo aminao ka mba te hitandrina ny Paska an’NY TOMPO dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana azy. Lalàna iray no ho amin’ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo. Dia notanterahin’ny Zanak’Israely rehetra izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony. Tamin’izany andro izany indrindra no nitondran’NY TOMPO ny Zanak’Israely nivoaka ny tany Ejipta araka ny antokony. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe: Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy. Ahy ireny. Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana, fa tamin’ny tanana mahery no nitondran’NY TOMPO anareo nivoaka avy tany. Koa aza misy mihinana izay misy masirasira. Izao andro amin’ny volana Abiba izao no ivoahanareo. Rehefa mitondra anao NY TOMPO ho any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’izao volana izao. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’NY TOMPO. Mofo tsy misy masirasira no hohanina mandritra ny hafitoana; tsy hisy mofo misy masirasira ao aminao ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao, any amin’ny taninao rehetra. Hambaranao amin’ny zanakao amin’izany andro izany hoe: Noho ny nataon’NY TOMPO tamiko tamin’ny nivoahako avy tany Ejipta no anaovako izao. Ho famantarana ho anao eo amin’ny tananao izany ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao mba ho ao am-bavanao ny lalànan’NY TOMPO: Fa tanana mahery no nitondran’NY TOMPO anao nivoaka avy tany Ejipta. Dia tandremo izao lalàna izao amin’ny fotoanany isan-taona. Rehefa mitondra anao NY TOMPO hiditra any amin’ny tanin’ny Kananita araka izay nianianany taminao sy tamin’ny razanao ka homeny anao izany dia hatokanao ho an’NY TOMPO izay voalohan-teraka rehetra: Ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra anananao dia ho an’NY TOMPO ny lahy rehetra. Ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony. Ary ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny zanakao dia havotanao. Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy ka hiteny hoe: Inona no anton’izao? Dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana; ary satria nanamafy ny fony i Farao ka tsy namela antsika handeha dia novonoin’NY TOMPO ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby. Koa izany no anaterako ho an’NY TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako kosa dia soloiko. Ho famantarana eo amin’ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta. Rehefa nalefan’i Farao ny olona dia tsy mba noentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy na dia akaiky aza any; fa hoy Andriamanitra: Sao hanenina ny olona raha mahita ady ka hiverina any Ejipta. Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta. Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ny tany efitra. Ary NY TOMPO nandeha teo alohany tamin’ny andry rahona ny antoandro mba hitari-dalana azy ary tamin’ny andry afo, nony alina, ho fahazavana ho azy mba hahazoany mandeha na andro na alina. Ny andry rahona dia tsy niala teo alohan’ny olona ny antoandro, ary ny andry afo nony alina. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Py-Hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina. Eo akaikin’i Baala-Zefona, tandrify azy, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina. Fa hilaza amin’ny olony i Farao hoe: Azon’ny tamberin-tany izy ka voahidin’ny tany efitra. Dia hanamafy ny fon’i Farao Aho ka hanenjika anareo izy, kanefa dia hasehoko ny voninahitro amin’izay hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO. Dia nataon’ny Zanak’Israely izany. Ary nisy nanambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tokoa fa lasa nandositra ny olona. Dia niova ny eritreritr’i Farao sy ny mpanompony ny amin’ny olona ka hoy izy ireo: Inona izao nataontsika izao no dia nandefa ny Israelita hiala tamin’ny fanompoany antsika isika? Dia nasainy nomanina ny kalesy fitondrany miady sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. Nitondra kalesy fitondra miady voafantina eninjato sy ny kalesy fitondra miadin’ny Ejiptiana rehetra izy ka samy nisy manamboninahitra avy ireo. Ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, dia nanenjika ny Zanak’Israely izy, na dia tamin’ny fahafahana tanteraka aza no nivoahan’ireo. Koa nanenjika azy ireo ny Ejiptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’i Farao sy ny mpitaingin-tsoavaliny ary ny miaramilany ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ny ranomasina, teo anilan’i Py-Hahirota, tandrifin’i Baala-Zefona. Rehefa nanakaiky i Farao dia natopin’ny Zanak’Israely ny masony ka indreo ny Ejiptiana tamy manenjika azy. Dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’Israely ka nitaraina tamin’NY TOMPO. Sady hoy koa ireo tamin’i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Ejipta no noentinao ho faty atỳ an-tany efitra izahay? Inona izao nataonao taminay izao ka nitondra anay nivoaka avy tany Ejipta ianao? Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Ejipta hoe: Aoka izao fa avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptiana? Fa aleonay manompo ny Ejiptiana toy izay ho faty any an-tany efitra. Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra ianareo! Miorena tsara fa ho hitanareo ny famonjen’NY TOMPO izay hataony ho anareo anio; fa ny Ejiptiana izay hitanareo anio dia tsy hohitanareo intsony mandrakizay. NY TOMPO no hiady ho anareo fa ianareo kosa dia hangina. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Nahoana no mitaraina Amiko ianao? Lazao ny Zanak’Israely mba handroso. Ary ianao, aingao ny tehinao ka atsory ambonin’ny ranomasina ny tananao dia saraho ny rano ka handeha hamakivaky eo afovoan’ny ranomasina, mandia tany maina, ny Zanak’Israely. Fa indro Aho hanamafy ny fon’ny Ejiptiana ka hiditra hanaraka azy ao; dia hasehoko ny voninahitro amin’izay hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra miaraka amin’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny ka ho fantatry ny Ejiptiana fa Izaho no TOMPO, rehefa asehoko ny voninahitro amin’izay ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Ary ilay Anjelin’Andriamanitra, izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Israelita, dia nifindra ka nankeo aorianany; ary nifindra niala teo alohany koa ny andry rahona dia nijanona teo aorianany ka tonga teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptiana sy ny tobin’ny Israely. Teo ihany ny rahona sy ny hamaizinana nefa nampahazava ny alina kosa izany ka tsy nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina. Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka rivotra mahery avy any atsinanana no nampisavan’NY TOMPO ny ranomasina nandritra iny alina iny, ary nataony tany maina ny ranomasina sady voasaraka ny rano. Dia nandeha teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina ny Zanak’Israely; fa ny rano dia tonga fefy teo ankavanany sy teo ankaviany. Dia nanenjika azy ireo ny Ejiptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesy fitondra miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Tamin’ny fotoam-piambenana maraina dia nitazana ny tobin’ny Ejiptiana avy eo amin’ny andry afo sy ny rahona NY TOMPO ka nampifanaritaka ny tobin’ny Ejiptiana. Nataony nikatso ny kodiaran’ny kalesy fitondra miady ka nanasarotra ny fandehany izany. Dia hoy ny Ejiptiana: Andeha handositra ny Israelita isika fa NY TOMPO no miady amin’ny Ejiptiana ho an’ireo. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao mba hikatonan’ny rano amin’ny Ejiptiana mbamin’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka niverina ho amin’ny toerany teo aloha ny ranomasina rehefa nadiva ho maraina ny andro; nitsoaka nandositra ny rano ny Ejiptiana, kanjo notsenainy ihany, ary narian’NY TOMPO teo afovoan’ny ranomasina ny Ejiptiana. Nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra izay niditra tao amin’ny ranomasina nanenjika ny Zanak’Israely; tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireo. Fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy teo ankavanany sy teo ankaviany. Toy izany no namonjen’NY TOMPO ny Israely mba tsy ho azon’ny Ejiptiana tamin’izany andro izany; ary hitan’ny Israelita teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Ejiptiana. Rehefa hitan’ny Israelita ny asa lehibe izay nataon’ny tanan’NY TOMPO tamin’ny Ejiptiana dia natahotra NY TOMPO ny olona ka nino NY TOMPO sy i Mosesy mpanompony. Tamin’izay i Mosesy sy ny Zanak’Israely dia nihira izao hira izao ho an’NY TOMPO hoe: Hihira ho an’NY TOMPO aho fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany any amin’ny ranomasina. NY TOMPO no heriko sy anton’ny fiderako, fa famonjena ahy Izy; Izy no Andriamanitro ka hankalaza Azy aho. Izy no Andriamanitry ny razako ka hanandratra Azy aho. NY TOMPO dia mpiady mahery. NY TOMPO no anarany. Ny kalesin’i Farao fitondra miady sy ny miaramilany dia natsipiny ao amin’ny ranomasina; ary ny manamboninahitra voafantina dia nilentika ao amin’ny Ranomasina Mena. Nanarona azy ireo ny lalina: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy ireo. Ny tananao ankavanana, TOMPO ô, dia malaza amin’ny hery; ny tananao ankavanana, TOMPO ô, no manorotoro ny fahavalo. Amin’ny halehiben’ny voninahitrao no andringananao izay mitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra ka mandevona azy toy ny mololo. Ny fofonain’ny vavoronao no nampivangongo ny rano; nijoro toy ny antontan-javatra ny rano mikoriana; nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano lalina. Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hameno ny tendako amin’izany, hotsoahiko ny sabatro ka hamongotra azy ny tanako. Ny fofonainao no nitsofanao dia nanarona azy ny ranomasina; nilentika tahaka ny firaka ao anatin’ny rano mahery izy. TOMPO ô, iza no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza no tahaka Anao, izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, ary mpanao fahagagana? Natsotranao ny tananao ankavanana dia nitelina azy ireo ny tany. Tarihinao amin’ny famindramponao ny firenena izay navotanao; entinao amin’ny herinao izy ho any amin’ny fonenanao masina. Mandre ireo firenena ka raiki-tahotra; hovitra no mahazo ny mponina any Filistia; toran-kovitra ireo loham-pirenen’i Edoma; azon-korohoro ireo lehilahy maherin’i Moaba; reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana. Tonga aminy ny tahotra sy ny hovitra; noho ny halehiben’ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ny olonao, TOMPO ô, mandra-pandalon’ny olona izay nalainao ho Anao. Dia hampiditra azy Ianao ka hamponina azy ao amin’ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ny fonenana nataonao hitoeranao, TOMPO ô, dia ao amin’ny fitoerana masina naorin’ny tananao, Tompo ô. NY TOMPO hanjaka mandrakizay doria. Fa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary NY TOMPO nampikatona ny ranomasina tamin’izy ireo; fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina. Ary i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tanany; ary nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy. Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina. Ary nitondra ny Israely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena i Mosesy ka nitarika azy ho any amin’ny tany efitra Sora, ary nandeha hateloana tany an-tany efitra ireo nefa tsy nahita rano. Dia tonga tao Mara izy ireo nefa tsy nahasotro ny rano tao Mara satria nangidy ny rano tao. Izany no nanaovany ny anarany hoe Mara. Ary nimonomonona tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inona no hosotroinay? Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy ka nanehoan’NY TOMPO hazo iray; rehefa natsipiny tao anatin’ny rano io hazo io dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’NY TOMPO lalàna sy fitsipika ho azy ary tao no nizahany toetra azy ka hoy Izy: Raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manao izay mahitsy eo imasony sy mihaino ny lalànany ary mitandrina ny didiny rehetra dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra izay nataoko tamin’ny Ejiptiana ireny; fa Izaho no TOMPO izay manasitrana anao. Dia tonga tao Elima izy ireo; tao no nisy loharano roa amby folo sy hazo daty fitopolo, dia nitoby teo anilan’ny rano izy. Ary tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana faharoa taorianan’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka nankany amin’ny tany efitra Sina izay eo anelanelan’i Elima sy i Sinay. Dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona tany an-tany efitra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia. Ary amin’ny andro fahenina, raha manamboatra izay azony izy, dia hisy indroa toraka izay angoniny isanandro amin’io. Dia hoy i Mosesy sy i Arona tamin’ny Zanak’Israely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa NY TOMPO no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; ho hitanareo koa ny voninahitry NY TOMPO rahampitso maraina, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’NY TOMPO; fa izahay moa no inona no imonomononanareo? Hoy koa i Mosesy: Ho hitanareo, rehefa homen’NY TOMPO hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina, fa efa ren’NY TOMPO ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo fa NY TOMPO. Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona: Lazao amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Manatòna eo anatrehan’NY TOMPO; fa efa reny ny fimonomononanareo. Ary raha mbola niteny tamin’ny fiangonan’ny Israely manontolo i Arona dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo ka indro, ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny rahona. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely, koa mitenena aminy hoe: Hihinan-kena ianareo anio hariva milenti-masoandro ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo, dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Nony hariva, niakatra ny papelika ka rakotra azy ny toby; nony maraina, nisy ando matevina nanodidina ny toby. Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany. Rehefa hitan’ny Zanak’Israely izany dia nifanontany izy hoe: Inona itony? Satria tsy fantany hoe inona ireny. Dia hoy i Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’NY TOMPO ho fihinanareo. Ary izao no teny izay nampilazain’NY TOMPO: Samia manangona amin’ireo ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ny vata omera avy isan’olona, araka ny isanareo; samia ianareo mitondra ho an’izay ao an-dainy avy. Dia nanatanteraka izany ny Zanak’Israely ka samy nanangona; ny sasany dia nanangona be, ny sasany kosa dia kely. Rehefa nafatrany tamin’ny vata omera ireo dia tsy nanana amby ny nanangona be ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy. Samy nanangona araka izay sahaza azy avy izy ireo. Hoy koa i Mosesy tamin’izy ireo: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina. Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’i Mosesy izy fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo. Dia tezitra tamin’ny olona i Mosesy. Nanangona ny mana isa-maraina ny olona, samy araka izay sahaza azy avy; ary nony nafana ny andro dia levona ireny. Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy. Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina. Dia namela izany ho tra-maraina izy araka izay nandidian’i Mosesy nefa tsy mba maimbo na niteraka olitra. Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio. Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito ka tsy hisy amin’io andro io. Nony tamin’ny andro fahafito, nisy ihany olona nandeha hanangona nefa tsy nahita na dia kely aza. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako? Hevero fa NY TOMPO no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ny indroa andro amin’ny andro fahenina. Samia mitoetra eo amin’ny fitoerany avy ianareo ka aoka tsy hisy hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito. Dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito. Nantsoin’ny taranak’Israely hoe Mana io zavatra io; ary tahaka ny voan’ny koriandira izy nefa fotsy; ary ny tsirony dia tahaka ny mofo misy tantely. Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho. Hoy koa i Mosesy tamin’i Arona: Makà siny iray ka asio mana eran’ny vata omera ao anatiny dia apetraho eo anatrehan’NY TOMPO izany mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotahirizina. Ary nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny Zanak’Israely mandra-pahatongany tany amin’izay tany misy mponina. Eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin’ny sisin’ny tany Kanana. Ny omera dia ampahafolon’ny vata efaha. Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona. Dia nila ady tamin’i Mosesy izy ireo ka niteny hoe: Omeo rano izahay hosotroinay. Fa hoy i Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy NY TOMPO ianareo? Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay? Ary nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Inona no hataoko amin’ireto olona ireto? Mila hitora-bato ahy izy! Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary mitondrà loholon’ny Israely hiaraka aminao; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tananao ka mandehana. Ary indro, hijoro eo anatrehanao eo ambonin’ny harambato any Horeba Aho dia hikapoka ny harambato ianao ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ny olona. Dia nanatanteraka izany teo imason’ireo loholon’ny Israely i Mosesy. Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe: Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ny Zanak’Israely sy noho ny nakany fanahy NY TOMPO hoe: Eto aminay va NY TOMPO, sa tsia? Tonga kosa ny Amalekita ka niady tamin’ny Israelita tao Refidima. Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita; fa hijoro eo an-tampon’ny havoana aho rahampitso ka hitana ny tehin’Andriamanitra etỳ an-tanako. Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita. Nefa vizana ny tanan’i Mosesy ka naka vato izy roa lahy, nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany. I Arona sy i Hora dia nanohana ny tanany, koa ny iray dia teo an-daniny ary ny iray dia teo an-kilany; dia naharitra tsy ketraka intsony ny tanany mandra-pahafatin’ny masoandro. Dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ny lelan-tsabatra i Josoa. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ao amin’ny boky izany ho fahatsiarovana ka ambarao amin’i Josoa; fa hofoanako tsy ho eny ambanin’ny lanitra tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita. Dia nanorina alitara i Mosesy ka ny anarany nataony hoe: NY TOMPO Nisỳ. Hoy mantsy izy: NY TOMPO nianiana hoe: Satria nisy tanana niainga hamely ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia tsy hitsahatra hatramin’izay taranany fara aman-dimby ny adin’NY TOMPO amin’ny Amalekita. Ary ren’i Jetro, rafozan’i Mosesy, mpisorona tany Midiana, izay rehetra nataon’Andriamanitra ho an’i Mosesy sy ny Israelita olony, dia ny nitondran’NY TOMPO ny Israely nivoaka avy tany Ejipta. Koa noentin’i Jetro, rafozan’i Mosesy, i Zipora vadin’i Mosesy, izay nalefany nody, sy ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ny iray, satria hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho; ary Eliezera kosa no anaran’ny faharoa, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan’ny sabatr’i Farao. Dia tonga i Jetro, rafozan’i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak’i Mosesy hankany aminy any an-tany efitra izay nitobiany, teo anilan’ny tendrombohitr’Andriamanitra. Dia nampilaza tamin’i Mosesy izy hoe: Izaho Jetro rafozanao dia tonga hamangy anao, miaraka amin’ny vadinao sy ny zanany roa lahy. Ary tonga hitsena ny rafozany i Mosesy dia niankohoka sady nanoroka azy. Nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day. Dia notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Farao sy tamin’ny Ejiptiana noho ny amin’ny Israelita, nolazainy mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana sy ny namonjen’NY TOMPO azy. Dia faly i Jetro noho ny soa rehetra izay nataon’NY TOMPO tamin’ny Israelita izay novonjeny ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptiana. Ary hoy i Jetro: Isaorana anie NY TOMPO izay nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptiana sy tamin’ny tanan’i Farao, NY TOMPO izay nanafaka ny olona tsy ho ao ambanin’ny tanan’ny Ejiptiana. Ankehitriny, fantatro fa lehibe NY TOMPO mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, na dia nanitsakitsaka ny olony aza ny Ejiptiana. Ary i Jetro, rafozan’i Mosesy, dia nitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’Andriamanitra. Dia tonga i Arona sy ny loholon’ny Israely rehetra hiara-misakafo amin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra. Nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy, ary nijoro teo anatrehan’i Mosesy hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva ny olona. Rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no ianao irery no mipetraka fa ny olona rehetra kosa dia mitsangana eo anoloanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva? Ary hoy i Mosesy tamin’ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’Andriamanitra. Raha misy manana ady izy ireo dia mankaty amiko ka mitsara azy roa tonta aho ary mampahalala azy ny didin’Andriamanitra sy ny lalànany. Dia hoy ny rafozan’i Mosesy taminy: Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. Samy ho reraka mihitsy, na ianao na ireo olona miaraka aminao ireo; mavesatra aminao loatra izao zavatra izao ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao. Koa ankehitriny, ekeo ny teniko fa hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny raharahany ho eo amin’Andriamanitra. Hampianatra azy ny didy sy ny lalàna ianao sady hampahalala azy ny lalana izay mety halehany sy izay tokony hataony. Nefa mizahà izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra eo amin’ny olona rehetra, dia izay lehilahy marina sady tsy tia kolikoly, ary manendre mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo ary mpifehy folo hifehy azy. Aoka ireo no hitsara ny olona isak’izay mandeha, fa ny ady lehibe rehetra ihany no aoka hoentiny eo aminao, ary ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany. Ho maivamaivana kokoa aminao izany, fa hiara-mitondra aminao ireo. Raha tanterahinao izany zavatra izany ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa amantsara any amin’ny taniny. Dia neken’i Mosesy ny tenin’ny rafozany ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy. Nofidin’i Mosesy ary izay lehilahy mahay tamin’ny Israely rehetra ka nataony lohan’ny olona hifehy azy, ho mpifehy arivo, ho mpifehy zato, ho mpifehy dimampolo ary ho mpifehy folo. Dia nitsara ny olona hatrany hatrany ireo; koa ny ady sarotra ihany no noentiny teo amin’i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany. Dia navelan’i Mosesy handeha ny rafozany ka lasa nody any amin’ny taniny izy. Tamin’ny volana fahatelo taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany indrindra, no nahatongavany tany amin’ny tany efitr’i Sinay. Rehefa nifindra niala tao Refidima izy ka tonga tany amin’ny tany efitr’i Sinay dia nitoby teo amin’ny tany efitra; nitoby teo, tandrifin’ny tendrombohitra ny Israely. Ary niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Mosesy, dia niantso azy avy tao an-tendrombohitra NY TOMPO ka niteny hoe: Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin’ny Zanak’Israely: Ianareo dia efa nahita izay nataoko tamin’ny Ejiptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nitondrako anareo ho atỳ Amiko. Ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho fananako sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ny Zanak’Israely. Dia nandeha i Mosesy ka nampiantso ny loholon’ny vahoaka, ary nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’NY TOMPO azy. Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona. Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina Aho, mba ho ren’ny olona Aho raha miteny aminao ka hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’NY TOMPO ny tenin’ny olona. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ny olona ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy ireo. Aoka samy hiomana ho amin’ny andro fahatelo izy, fa amin’ny andro fahatelo no hidinan’NY TOMPO ho eo imason’ny olona rehetra eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay. Dia hanisy fefy manodidina ho an’ny olona ianao ka hiteny hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao an-tendrombohitra na hikasika ny sisiny akory aza. Fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty. Tsy hisy tanana hikasika azy fa hotoraham-bato tokoa, na hotifirina tsipìka tokoa, na biby na olona, ary tsy mba hovelomina. Rehefa manao feo lavareny ny anjomara, vao hiakatra ho ao an-tendrombohitra ny olona. Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona. Hoy koa izy tamin’ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. Tamin’ny marainan’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra; nisy koa feon’anjomara mafy dia mafy ka toran-kovitra ny olona rehetra izay teo amin’ny toby. Ary nitondra ny olona niainga avy teo an-toby i Mosesy mba hihaona amin’Andriamanitra; nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo. Ary ny tendrombohitra Sinay manontolo dia nivoa-tsetroka satria NY TOMPO nidina teo amboniny tao anaty afo; niakatra tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay manontolo. Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nitatatata. Dia niteny i Mosesy ary Andriamanitra namaly azy tao anatin’ny kotroka. Nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, teo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO; ary niantso an’i Mosesy hankeo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO, dia niakatra i Mosesy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Midìna dia ampitandremo ny olona, fandrao hisisika hankao amin’NY TOMPO izy mba hijery ka ho betsaka ny maty. Ary aoka koa ny mpisorona izay manakaiky NY TOMPO hanamasina ny tenany, fandrao hamely azy tampoka NY TOMPO. Dia hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tsy afaka miakatra ho eto amin’ny tendrombohitra Sinay ny olona, fa Ianao nandidy anay hoe: Fefeo ny tendrombohitra ka hamasino. Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana midina; avy eo dia miakara ianao ka ento miaraka aminao i Arona; fa ny mpisorona sy ny olona kosa dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’NY TOMPO, fandrao handringana azy ireo Izy! Ary nidina nankeny amin’ny olona i Mosesy ka niteny taminy. Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra: Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana. Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy, nefa mamindra fo kosa amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa tsy hataon’NY TOMPO ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito. Izany no nitahian’NY TOMPO ny andro Sabata sy nanamasinany azy. Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Aza mamono olona. Aza mijangajanga. Aza mangalatra. Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao. Ary nandre ny kotroka sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny tselatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka ny olona rehetra, koa nony nahita izany izy ireo dia toran-kovitra sady nijanona terỳ lavitra terỳ. Dia hoy izy ireo tamin’i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay dia hihaino izahay; fa aoka tsy Andriamanitra no hiteny aminay fandrao maty izahay. Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anoloanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, fa i Mosesy kosa dia nanakaiky ny haizim-pito izay nitoeran’Andriamanitra. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Ianareo dia efa nahita fa avy tany an-danitra no nitenenako taminareo. Aza manao andriamanitra volafotsy ho fanampiko, ary aza manao andriamanitra volamena ho anareo. Alitara tany no hataonao ho Ahy ka eo amboniny no hanoloranao ny fanatitra doranao manontolo sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao. Eo amin’ny toerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao. Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha manainga ny fandrakao eo aminy ianao dia handoto azy. Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ny alitarako mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany: Raha mividy andevo hebreo ianao dia enin-taona no hanompoany, ary amin’ny taona fahafito kosa dia hiala izy ka ho afaka madiodio. Raha izy irery no niditra dia izy irery no hiala; fa raha manambady izy dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny. Raha manome vady azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy dia ho an’ny tompony ny vadiny sy ny zanany fa izy irery ihany no hiala. Fa raha tena milaza ilay andevo hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako ka tsy te ho afaka aho dia hoentin’ny tompony ho eo anatrehan’Andriamanitra izy, ary hoentiny ho eo amin’ny varavarana na ho eo amin’ny tolanam-baravarana ka hotevehin’ny tompony amin’ny fanjaibe ny sofiny, dia hanompo azy mandrakizay izy. Raha misy anefa mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo dia tsy mba ho tahaka ny fialan’ny andevolahy ho afaka no fialany. Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy. Ary raha mikendry azy ho fofombadin’ny zanany lahy izy dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy. Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy dia tsy hahenany ny sakafony sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany. Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany dia hiala ka ho afaka madiodio Ravehivavy fa tsy handoa vola. Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hovonoina ho faty. Izay tsy ninia nahafaty, fa Andriamanitra no nanolotra azy eo an-tanany, dia hanondro toerana ho anareo Aho handosirany. Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty. Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty. Izay mangalatra olona ka na efa namidiny, na mbola hita eo an-tanany ihany ilay nangalariny, dia hovonoina ho faty. Izay manozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty. Raha misy olona miady ka ny iray mamely ny namany amin’ny vato na amin’ny totohondry, kanefa tsy maty ilay voa fa marary am-pandriana, dia ho afa-tsiny ilay namely azy rehefa afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny alatrano ilay marary. Kanefa handoa ny onitr’ireo andro tsy niasany izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany. Raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana dia hovalina tokoa izy. Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy io dia tsy hovalina ilay tompony satria harenany ihany izy. Raha misy olona miady ka mandratra vehivavy manana anaka ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ny vadin-dRavehivavy azy; handoa araka izay didy havoakan’ny mpitsara izy. Fa raha misy maninona kosa dia hanome aina solon’ny aina ianao, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra, may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, fery solon’ny fery. Ary raha misy olona mikapoka ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy dia homeny fahafahana izy noho ny masony. Ary raha ny nifin’ny andevolahy na ny andevovavy no afany dia homeny fahafahana izy noho ny nifiny. Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy dia hotoraham-bato tokoa ny omby ary tsy hohanina ny henany; fa ny tompon’ilay omby kosa dia ho afa-tsiny. Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy ka nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby ary ny tompony koa dia hovonoina. Raha sazina izy dia handoa vidin’aina araka izay sazy atao aminy. Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy. Raha manoto andevolahy na andevovavy izy dia homena sekela volafotsy telopolo ny tompon’andevo, ary ny omby dia hotoraham-bato. Raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka ka tsy rakofany ka misy omby na boriky latsaka dia hanonitra vola ho an’ny tompon’ilay omby ny tompon’ilay lavaka; ary ho azy ilay biby maty. Raha misy ombin’olona mandratra ny ombin’ny namany ka mahafaty azy dia hamidiny ny omby velona ary hozarainy ny vola vidiny, ary hozarainy koa ilay omby maty. Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy. Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon’ny omby iray izy, ary ondry na osy efatra ho solon’ny ondry na osy iray. Raha tratra mamaky trano ny mpangalatra ka vonoina ho faty dia tsy hisy valin-dra amin’izany; fa raha tratra amin’ny masoandro miposaka kosa izy dia hisy valin-dra ihany amin’izany. Hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona izy dia hamidy noho ny halatra nataony. Raha hita marina ao aminy ny halatra, ary mbola velona, na omby, na boriky, na ondry, na osy izany, dia hanonitra avo roa heny izy. Raha misy olona mampitondraka amin’ny voly na amin’ny tanim-boaloboka, satria nalefany nandeha ny bibiny dia nihinana ny volin’olona, dia amin’izay tsara indrindra ao amin’ny sahany, ary amin’izay tsara indrindra ao amin’ny tanim-boalobony no hanonerany. Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo. Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany ka angalarin’ny sasany ao amin’ny tranon’ilay olona ilay izy, raha hita ilay mpangalatra dia hanonitra avo roa heny izy. Fa raha tsy hita kosa ilay mpangalatra dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tompon’ny trano mba hahafantarana na nanatsotra ny tanany naka ny fananan’ny namany izy na tsia. Ny amin’ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very lazain’olona hoe: Ity no izy, dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenin’izy roa tonta, koa izay hohelohin’Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an’ny namany. Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa ka maty io, na maratra, na nisy nandroaka nefa tsy nisy nahita, dia fianianana amin’NY TOMPO no hitsarana azy roa tonta, mba hahafantarana na efa nanatsotra ny tanany ka naka ny fananan’ny namany ilay iray na tsia; ary heken’ny tompony izany fa tsy hisy onitra. Nefa raha nangalarina tany aminy tokoa ilay biby dia hanonitra ho an’ny tompon-javatra izy. Raha voaviraviram-biby kosa dia hitondra azy ho vavolombelona izy fa tsy hanonitra izay voaviravira akory. Ary raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka tapaka na maty io, nefa tsy teo ny tompony, dia hanonitra tokoa izy. Fa raha teo ihany ny tompony dia tsy hanonitra izy; ary raha biby nofaina kosa dia vitan’ny hofany ihany. Raha misy olona mitaona tovovavy izay tsy voafofo ka mandry aminy dia hanome harena azy izy mba ho vadiny. Fa raha tena mandà ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny dia handoa vola Ralehilahy araka ny harena fanome ny zazavavy hampakarina. Aza avela ho velona ny vehivavy mamosavy. Izay rehetra mandry amin’ny biby dia hovonoina ho faty. Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’NY TOMPO ihany, dia ho voaozona. Aza mampijaly ny vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo. Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty. Fa raha mampijaly azy na amin’inona na amin’inona ianareo ka mitaraina Amiko izy dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin’ny sabatra Aho, mba ho mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ny zanakareo. Raha mampisambo-bola amin’ny oloko izay mahantra eo aminao ianao dia tsy ho toy ny mpampanjana-bola aminy, fa tsy hampandoavinao zana-bola izy. Raha maka ny lamban’ny namanao ho antoka ianao dia haverinao aminy izany raha mbola tsy milentika ny masoandro. Fa izany ihany no mba firakofany sady fitafiany eny an-kodiny, koa inona no hoentiny mandry? Ary raha mitaraina Amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho. Aza miteny ratsy an’Andriamanitra ianao, na manozona izay olona ambony eo amin’ny firenenao. Aza miandry ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao. Omeo Ahy ny matoa amin’ny zanakao lahy. Izao no hataonao amin’ny ombinao sy ny ondry aman’osinao: Hafitoana no hitoerany ao amin’ny reniny, ary amin’ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy. Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa. Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza. Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mety hanao vavolombelona amin’ny adin’olona ka hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. Aza miangatra amin’ny mahantra amin’ny adiny eo amin’ny fitsarana. Raha hitanao diso lalana ny ombin’ny fahavalonao, na ny borikiny, dia averenonao any aminy izany. Raha hitanao lavo voatsindrin’ny entana ny borikin’izay mankahala anao dia aza malaina hamonjy azy fa ampionao izy hamaha izany. Aza mamily izay rariny ananan’ny mahantra eo aminao, amin’ny adiny eo amin’ny fitsarana. Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono ny tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. Aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly dia mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny marina. Aza mampahory vahiny, fa ianareo dia mahalala ny toe-pon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo. Enin-taona no hamafazanao amin’ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izany mba hisy hohanin’ny mahantra ao amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo kosa dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao. Henemana no hanaovanao ny raharahanao, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianao mba hialan’ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ny zanaky ny mpanompovavinao sy ny vahiny aina. Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany. Intelo isan-taona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy. Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nampanaoviko anao amin’ny fotoanandro amin’ny volana Abiba, fa tamin’izany no nivoahanao avy tany Ejipta; ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo eo anatrehako, tsy mitondra fanatitra. Tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra. Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy. Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia hoentinao ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny. Indro Aho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao eny an-dalana sady hitondra anao any amin’ny toerana izay namboariko. Mitandrema eo anatrehany ka mihainoa ny feony ary aza manao izay mahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy satria ny anarako no ao Aminy. Fa raha mihaino ny feony tokoa ianao ka manao izay rehetra lazaiko dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho. Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia hofongorako ireny. Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamanitr’ireny ianao, na manompo azy, na manao toy ny fanaony; fa aringano tokoa izy ary poteho tanteraka ireo tsangambaton-tsampiny. Fa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy, ary hesoriko aminao ny aretina. Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao. Hataoko feno ny isan’ny andronao. Hampandehaniko eo anoloanao ny fahatahorana Ahy ka hampifanaritahiko ny firenena rehetra izay alehanao ary hampandosiriko eo anoloanao ny fahavalonao rehetra. Hampandehaniko eo anoloanao ny fanenitra handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao. Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany ka hihamaro ny bibidia hamely anao. Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahatonganao ho maro ka handova ny tany. Hataoko hatrany amin’ny Ranomasina Mena ka hatrany amin’ny Ranomasin’ny Filistina ny sisin’ny taninao, ary hatrany amin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hanolotra ny mponina amin’ny tany ho eo an-tananareo Aho ary handroaka azy eo alohanao ianao. Aza manao fanekena aminy na amin’ny andriamaniny. Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao hampanota anao Amiko izy raha manompo ny andriamaniny ianao ka ho fandrika ho anao izany. Ary hoy Izy tamin’i Mosesy: Miakara any amin’NY TOMPO ianao sy i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ka miankohofa eny lavitra eny ianareo. I Mosesy irery no hanakaiky NY TOMPO, fa ireo hafa dia tsy hanakaiky, ary ny olona koa dia tsy hiakatra miaraka aminy. Dia tonga nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO sy ny fitsipika rehetra i Mosesy. Ary niara-niredona namaly ny olona rehetra hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary nanoratra ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO i Mosesy, dia nifoha vao maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra sy tsangambato roa amby folo, araka ireo fokon’ny Israely roa amby folo. Dia naniraka ny zatovo teo amin’ny Zanak’Israely izy ka nitondra fanatitra dorana manontolo ireo sady namono vantotra ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO. Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa dia nafafiny teo amin’ny alitara. Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky azy teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay sy hekenay. Ary nalain’i Mosesy ny ra ka nafafiny tamin’ny olona, sady hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’NY TOMPO taminareo ny amin’izany teny rehetra izany. Dia niakatra i Mosesy, i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy tamin’ny loholon’ny Israely. Dia nahita ny Andriamanitry ny Israely izy ireo; ny teo ambanin’ny tongony dia toy ny fanganohanon’ny safira vita rarivato, toy ny lanitra mihitsy ny famirapiratany. Nefa tsy nanatsotra ny tanany tamin’ireo lehiben’ny Zanak’Israely Izy, dia nahita an’Andriamanitra izy ireo ary nihinana sy nisotro. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Miakara eto Amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy izay nosoratako mba hampianarina azy ireo. Dia niainga i Mosesy sy i Josoa mpanompony ka i Mosesy dia niakatra nankao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra. Ary hoy izy tamin’ny loholona: Andraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo. Indro i Arona sy i Hora dia eto aminareo; koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roalahy izy. Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona dia nanarona ny tendrombohitra. Ary ny voninahitry NY TOMPO nitoetra teo ambonin’ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona dia nanarona azy henemana. Fa tamin’ny andro fahafito Izy no niantso an’i Mosesy teo afovoan’ny rahona. Ary tahaka ny afo mandevona no fijery ny voninahitry NY TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra teo imason’ny Zanak’Israely. Dia niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy ka niakatra nankao amin’ny tendrombohitra. Ary nitoetra tao amin’ny tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina izy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely mba hitondra anjara fanomezana ho Ahy izy; avy amin’ny olona rehetra izay entanin’ny fony no handraisanareo izay anjara atolony ho Ahy. Ary izao no anjara fanomezana izay horaisinareo avy aminy: Volamena, volafotsy, varahina, lamba manga, volomparasy, jaky, ary lamba rongony fotsy madinika, volon’osy, hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, hoditra trozona, hazo akasia, diloilo hatao fanazavana, zavamanitra ho amin’ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona, vato berila ary vato alatsaka an-tranontranony amin’ny efoda sy amin’ny saron-tratra. Asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy dia honina eo aminy Aho. Araka izay rehetra hasehoko aminao no ho endriky ny tabernakely sy ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy. Ary ampanaovy vata amin’ny hazo akasia izy: Roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony. Petaho takelaka volamena tsy miharo ilay izy. Samy hopetahanao takelaka volamena avokoa ny atiny sy ny ivelany, ary asio sisiny volamena manodidina eo amboniny. Ary mandrendreha mason-drojo volamena efatra hatao aminy ka ataovy eo amin’ny zorony efatra, koa mason-drojo volamena roa eo amin’ny lafiny iray ary mason-drojo volamena roa eo amin’ny lafiny iray hafa. Manaova bao hazo akasia ka petaho takelaka volamena dia ampidiro ho eo amin’ny mason-drojo volamena eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy. Ao amin’ny mason-drojon’ny vata no hitoeran’ny bao ary tsy hesorina eo izy. Ataovy ao anatin’ny vata ny Vavolombelona izay homeko anao. Avy eo dia manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ny volamena tsy miharo: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany. Manaova koa kerobima volamena roa; vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana, eo amin’ny sakany roa, no hanaovanao azy roa. Ny kerobima iray dia ataovy amin’ny sakany iray ary ny kerobima iray kosa dia amin’ny sakany iray: Vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, eo amin’ny sakany roa. Ary aoka ny elatry ny kerobima hivelatra eo ambony mba hanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana; ary hifanatrika ny tavany sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa. Dia apetraho eo ambonin’ny vata ny rakotra fanaovam-panavotana; ao anatin’ny vata no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. Eo no hihaona aminao Aho ka avy eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, eo anelanelan’ny kerobima roa izay eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona; eo no hambarako anao izay rehetra hampanaoviko holazainao amin’ny Zanak’Israely. Manaova latabatra hazo akasia: Roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony. Petaho takelaka volamena tsy miharo izany sady asio sisiny volamena ny manodidina azy. Dia asio tranony manodidina azy, felatanana iray, ary asio sisiny volamena manodidina. Ary manaova mason-drojo volamena efatra hatao aminy ka ataovy eo amin’ny zorony efatra izay eo amin’ny tongony efatra ireo: Eo akaikin’ny tranony no hasiana ny mason-drojo volamena ho fitoeran’ny bao ilanjana ny latabatra. Hazo akasia no anaovy ny bao ka petaho takelaka volamena; amin’ireo no hilanjana ny latabatra. Ary ataovy ny loviany sy ny loviany kely ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no hanaovanao ireo. Asio mofo atao fanatitra eo ambonin’ny latabatra, ho eo anatrehako mandrakariva. Manaova koa fitoeran-jiro volamena tsy miharo; vongana iray no hanefenao ny fitoeran-jiro. Vongana iray ihany no hanefenao ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny. Hisy rantsany enina misampana eo an-daniny roa ka rantsany telo amin’ny fitoeran-jiro no eo an-daniny iray ary rantsany telo amin’ny fitoeran-jiro no eo an-daniny iray hafa. Hisy foto-boniny telo, hatao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny eo amin’ny rantsany iray; ary foto-boniny telo koa no hatao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny eo amin’ny rantsany iray hafa; dia toy izany avokoa amin’ny rantsany enina amin’ny fitoeran-jiro. Ary eo amin’ny fitoeran-jiro dia hisy foto-boniny efatra, hatao tahaka ny vonin’ny amanda, miaraka amin’ny bokony sy ny voniny, bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy ary bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy; izany hoe amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro. Hiray avokoa ny bokony sy ny rantsany, sady ho voatefy amin’ny vongana volamena tokana tsy miharo izy rehetra. Ary ataovy ny jirony fito ka apetaho eo amin’ny fitoeran-jiro dia ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany. Ary ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsy miharo. Volamena tsy miharo, talenta iray, no hanaovana azy mbamin’ireny fanaka rehetra ireny. Aoka mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izany. Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho; ny lambanan’ny ambainy iray koa dia efatra hakiho; hitovy refy ny ambainy rehetra. Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy hafa koa dia havitrana ho iray. Manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ny ambainy iray, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; manaova toy izany koa amin’ny ambainy farany, eo an-tsisin’ny iray efa voavitrana koa. Tadivavarana dimampolo no hataonao eo amin’ny ambainy iray ary tadivavarana dimampolo koa no hataonao eo amin’ny sisin’ny ambainy amin’ny iray efa voavitrana; koa aoka hifanandrify ny tadivavarana. Manaova farango volamena dimampolo ka akambano amin’ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely. Ary manaova koa ambainy amin’ny volon’osy ho lay handrakofana ny tabernakely; iraika amby folo ny ambainy hataonao. Ny halavan’ny ambainy iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray hafa dia efatra hakiho; hitovy refy ny ambainy iraika amby folo. Avitrano hikambana ny ambainy dimy ary avitranao hikambana koa ny ambainy enina. Aforeto ny ambainy fahenina amin’ny sakan’ny lay eo anoloana. Manaova tadivavarana dimampolo eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana, ary tadivavarana dimampolo koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa izay efa voavitrana. Manaova farango varahina dimampolo ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ireo farango ireo ary akambano ny lay, dia ho iray ihany izany. Ary izay mihoatra amin’ny ambain’ny lay dia avelao hiraviravy eo ivohon’ny tabernakely ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra. Ary ny iray hakiho avy eo amin’ny lohany roa amin’ny lamba, izay mihoatra amin’ny halavan’ny ambain’ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin’ny lafibeny roa amin’ny tabernakely mba handrakotra azy. Manaova koa rakotra ho an’ny lay, ataovy amin’ny hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ary manaova sarony amin’ny hoditra trozona ho eo amboniny. Manaova hazofisaka akasia hatsangana amin’ny tabernakely. Folo hakiho ny haavon’ny hazofisaka iray ary iray hakiho sy sasany ny sakan’ny hazofisaka hafa. Lahiny roa no ho amin’ny hazofisaka iray, misy hasiana izay hikambanany; toy izany no hanaovanao ny hazofisaka rehetra amin’ny tabernakely. Ataovy ny hazofisaka ho amin’ny tabernakely, hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny atsimo. Manaova koa faladia volafotsy efapolo ho eo ambanin’ny hazofisaka roapolo, faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay hiorenan’ny lahiny roa. Manaova hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny faharoa amin’ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra. Manaova faladia volafotsy efapolo, faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay. Ary ny lafiny andrefana amin’ny tabernakely, izay ao aorianany, dia hanaovanao hazofisaka enina. Hazofisaka roa no hataonao eo amin’ny zoron’ny tabernakely amin’ny lafiny aoriana. Hakambana ho iray hatrany ambany izy ka hiray tsara hatrany an-tampony, eo amin’ny mason-drojo tokana; ho toy izany avokoa izy roa izay ho eo amin’ny zorony roa. Aoka hisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina amby folo: Faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay. Manaova koa barany amin’ny hazo akasia; dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely, barany dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray koa amin’ny tabernakely ary barany dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny andrefana izay ao aorianany. Ary ny barany afovoany, izay eo afovoan’ny hazofisaka, dia hahatratra ny farany roa. Ny hazofisaka dia hopetahanao takelaka volamena, ary hataonao volamena koa ireo mason-drojo eo aminy, izay hitoeran’ny barany; petaho takelaka volamena koa ny barany. Atsangano ny tabernakely, araka ilay endriny naseho taminao tao an-tendrombohitra. Manaova efitra lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra. Ataovy eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ny rakotra fanaovam-panavotana. Apetraho eo ivelan’ny efitra ny latabatra ka ny fitoeran-jiro ho tandrifin’ny latabatra amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely; ary ny latabatra dia ataovy eo amin’ny lafiny avaratra. Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra. Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ny varavarana lamba ka petaho takelaka volamena ireny; ho volamena koa ny fihantonany, ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. Ataovy amin’ny hazo akasia ny alitara: Dimy hakiho avy ny lafiny efatra, izany hoe: Ho efamira, ary telo hakiho ny haavony. Amboary ataovy miray aminy ny tandroka eo amin’ny zorony efatra ary petaho takelaka varahina ireo. Manaova koveta fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary amboary ny sotron’afony sy ny lovia fandraofany ary ny fitrebiny sy ny fitondrana afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy. Dia manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manamboara mason-drojo varahina efatra hatao eo ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra. Ataovy eo ambanin’ny sisin’ny alitara hatreny ambaniny izany ka ny makarakara dia hampisasaka ny haavon’ny alitara. Manaova bao ho amin’ny alitara, bao amin’ny hazo akasia, ka petaho takelaka varahina. Ampidiro eo amin’ny mason-drojo ny bao; ny bao dia ho eo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara rehefa lanjaina izy. Hazofisaka no arafeto ho alitara ka ataovy poakaty izany; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy. Ataovy koa ny kianjan’ny tabernakely: Eo amin’ny lafiny atsimo dia hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona ho amin’ny kianja. Zato hakiho ny halavany amin’ny lafiny iray; ho roapolo ny andriny ary ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. Ho tahaka izany koa eo amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ho roapolo ny andriny, ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ireo andriny sy ny farango hitohizany. Hisy fefy lamba dimampolo hakiho amin’ny sakan’ny kianja amin’ny lafiny andrefana; ho folo ny andriny ary ho folo ny faladiany. Ho dimampolo hakiho ny sakan’ny kianja eo amin’ny lafiny atsinanana. Ary hisy fefy lamba dimy amby folo hakiho amin’ny sakany iray; ho telo ny andriny ary ho telo ny faladiany. Ary hisy fefy lamba dimy amby folo hakiho amin’ny sakany iray koa, ho telo ny andriny ary ho telo ny faladiany. Eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hasiana vavahady sy lamba roapolo hakiho, manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra; ho efatra ny andriny ary ho efatra ny faladiany. Samy hisy farango volafotsy hitohizany ny andry rehetra amin’ny kianja manodidina; ho volafotsy ny fihantonany ary ho varahina ny faladiany. Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany. Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsatòkan-day rehetra momba azy sy ny tsatòkan-dain’ny kianja dia ho varahina koa. Asaivo mitondra diloilon’oliva tsy miharo ho eo aminao ny Zanak’Israely, diloilo nofiazana, hatao fanazavana, mba hisy jiro mirehitra tsy miato. Ao anatin’ny tranolay fihaonana, dia eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’NY TOMPO hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina; ho lalàna maharitra amin’ny Zanak’Israely izany hatramin’ny taranany fara aman-dimby. Ampanatony anao avy eo anivon’ny Zanak’Israely i Arona rahalahinao mbamin’ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy izy, dia i Arona, i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara, zanak’i Arona. Manaova fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniany. Koa mitenena amin’izay manan-talenta, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’i Arona hanamasinana azy mba hanaovany fisoronana ho Ahy. Izao no fitafiana izay hataon’ireo: Saron-tratra, efoda, akanjobe, akanjo lava tenom-boaroy, fehiloha ary fehikibo. Hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao sy ho an’ireo zanany izy ireo, mba hanaovany fisoronana ho Ahy. Halain’ireo ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika. Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay. Hisy soroka roa eo amin’ny sisiny roa mba hampikambana azy. Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona. Ary makà vato berila roa ka soraty eo aminy ny anaran’ny Zanak’Israely: Ny anaran’ny enina dia amin’ny vato iray ary ny anaran’ny enina hafa kosa dia amin’ny vato iray, araka ny fizokiany. Amin’ny asan’ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fitombo-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ny Zanak’Israely ary asio randram-bolamena manodidina. Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely. Ary i Arona dia hitondra ireo anarany ireo eo amin’ny sorony roa, eo anatrehan’NY TOMPO ho fahatsiarovana. Ary manaova randram-bolamena sy rojo kely volamena tsy miharo roa; mirandrana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hapetakao eo amin’ny randram-bolamena ireo rojo kely toy ny tady ireo. Ary manaova saron-tratra fitsarana, asan’ny mpanenona mahay. Toy ny nanaovana ny efoda no hanaovanao azy: Volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona. Ho efa-joro miforitra roa ilay izy ary irain-jehy avy ny lafiny efatra. Asio vato alatsaka an-tranontranony koa ka efatra andalana: Ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeraoda; ny andalana faharoa dia robisy sy safira ary oniksa; ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametista; ny andalana fahefatra kosa dia krizolita sy berila ary jaspy. Asio randram-bolamena ny fitoerany avy. Ny vato dia alaharo araka ny anaran’ny Zanak’Israely, roa amby folo araka ny anarany; hisy soratra toy ny amin’ny fitombo-kase izany, ho amin’ny foko roa amby folo araka ny anarany avy. Asio rojo kely volamena tsy miharo, mirandrana toy ny tady eo amin’ny saron-tratra. Petaho mason-drojo volamena roa koa eo amin’ny saron-tratra; ataovy eo amin’ny zorony roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra ireo mason-drojo roa ireo. Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ny mason-drojo roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda anoloana kosa ny lanin’ny tady roa. Dia manaova koa mason-drojo volamena roa ka ataovy amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny, izay mifanolotra amin’ny efoda. Ary manaova koa mason-drojo roa ka ataovy eo amin’ny soroka roa amin’ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ny fihaonany, eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda. Kofehy manga no hamehezana ny mason-drojon’ny saron-tratra amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo. Ary i Arona dia hitondra ny anaran’ny Zanak’Israely eo amin’ny saron-tratra fitsarana mifanolotra amin’ny fony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO. Ataovy eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy ny Tomima; ho eo amin’ny fon’i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan’NY TOMPO izy. Hoentin’i Arona eo amin’ny fony mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO ny fitsarana ny Zanak’Israely. Ataovy lamba manga avokoa ny akanjobe misy ny efoda. Asio vozony eo afovoany ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy haharovitra azy. Asio sarin’ampongabendanitra miloko manga, volomparasy, jaky, manodidina eny amin’ny moron-tongony, ary lakolosy kely volamena kosa eo anelanelany manodidina; io dia lakolosy kely volamena sy sarin’ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ny morontongotry ny akanjobe. Hiakanjoan’i Arona izany rehefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, mba ho re ny fanenony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina eo anatrehan’NY TOMPO sy rehefa miala ao izy, mba tsy hahafaty azy. Manaova koa takelaka volamena tsy miharo ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fitombo-kase hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO. Asio kofehy manga izy io ka ataovy eo amin’ny fehiloha, fa eo anoloan’ny fehiloha no hasiana azy. Ho eo ambonin’ny handrin’i Arona izy io mba hitondran’i Arona ny heloky ny zava-masina izay hohamasinin’ny Zanak’Israely amin’ny fanomezany masina rehetra; ho eo amin’ny handriny mandrakariva izy io mba hankasitrahana ny olona eo anatrehan’NY TOMPO. Ataovy amin’ny rongony fotsy madinika tenom-boaroy ny akanjo lava ary manaova fehiloha amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy fehikibo, asan’ny mahay tenona samihafa soratra. Manaova koa akanjo lava ho an’ireo zanak’i Arona dia anamboary fehikibo izy ireo; ary manaova ihany koa satroka boribory ho azy ireo ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniana. Dia ampiakanjoy an’i Arona rahalahinao sy ireo zanany ireo; ary hosory izy ireo dia atokàny sy hamasino mba hanao fisoronana ho Ahy. Ary manaova kalisaonina fohy amin’ny lamba rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany hatramin’ny maojany ka hatramin’ny feny. Ary hiakanjoan’i Arona sy ireo zanany ireo rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna maharitra aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany. Ary izao no zavatra hataonao amin’izy ireo mba hanamasinana azy hanao fisoronana ho Ahy: Makà vantotra ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema, mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo; kobam-barimbazaha tsara toto no hanamboarana ireo. Ataovy ao anaty harona iray ireny ka ento amin’io harona io; ary ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa. Ary ento kosa i Arona sy ny zanany hankeo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano. Dia ento ireo fitafiana ka ampiakanjoy an’i Arona ny akanjo lava sy ny akanjobe misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra, ary afehezo azy ny fehikibo momba ny efoda; ary ataovy eo amin’ny lohany ny fehiloha ary apetraho eo amin’ny fehiloha ny diadema masina. Ary alao ny diloilo fanosorana ka andraraho amin’ny lohany dia hosory izy. Ento koa ireo zanany ka ampiakanjoy akanjo lava. Afehezo azy ireo ny fehikibo, dia amin’i Arona sy ireo zanany; asatrohy azy ireo koa ny satroka boribory; fa ho azy ireo ny fisoronana; ho lalàna maharitra izany. Dia toy izany no hanokananao an’i Arona sy ireo zanany. Ary asaivo entina ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana ny vantotra ombilahy; ary aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy; dia vonoy eo anatrehan’NY TOMPO ny vantotra ombilahy, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana; ary analao ny ran’ity vantotra ombilahy ity dia ahosory eo amin’ireo tandroky ny alitara amin’ny fanondronao, ary ny ra sisa rehetra kosa dia araraho eo am-pototry ny alitara; dia alao ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny ila atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ka doroy eo ambonin’ny alitara ireo ho fofona; fa ny henan’ny vantotra ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany kosa dia doroy amin’ny afo eny ivelan’ny toby ho fanatitra noho ny ota. Alao indray ny ondrilahy iray ka aoka i Arona sy ireo zanany hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny ondrilahy; dia vonoy izy ka tantazo ny rany dia afafazo manodidina amin’ny lafin’ny alitara; ary teteho tsara ny ondrilahy dia sasao ny taovany sy ny tongony ka ataovy eo ambonin’ireo voatetika miaraka amin’ny lohany; ary doroy ho fofona eo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy manontolo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Mbola makà ondrilahy hafa koa; ary aoka hametraka ny tanany amin’ny lohan’io ondrilahy io i Arona sy ireo zanany; vonoy ny ondrilahy ka analao ny rany, dia ahosory amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’i Arona sy amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany havanana sy amin’ny ankiben-tongony havanana; ny ra sisa kosa dia afafazo manodidina amin’ny lafin’ny alitara rehetra. Ary analao ny ra izay eo ambonin’ny alitara sy ny diloilo fanosorana ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany ary amin’ireo zanany sy amin’ny fitafian’ireo zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa. Alao indray ny jaboran’ny ondrilahy sy ny hofany ary ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny ila atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana, fa ondrilahy fanokanana io; ary makà mofo iray, dia mofo iray voaisy diloilo, mofo manify iray izay eo amin’ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’NY TOMPO; ary ataovy eo an-tanan’i Arona sy eo an-tanan’ireo zanany izy rehetra ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo. Dia raiso avy amin’ny tanany ireo avy eo ka doroy hanome fofona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’NY TOMPO, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao. Ary hamasino ny tratran’ny fanatitra asandratra sy ny feny izay nalaina avy tamin’ny fanatitra, dia izay nasandratra sy izay nalaina avy tamin’ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’i Arona sy izay ho an’ny zanany. Ary ho anjara mandrakizay ho an’i Arona sy ho an’ny taranany avy amin’ny Zanak’Israely izany, fa anjara fanomezana; ary hisy anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, haterin’ny Zanak’Israely avy amin’ny fanati-pihavanany rehetra. Ary ny fitafiana masina izay an’i Arona dia ho an’ireo zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy. Hiakanjo azy hafitoana izay iray amin’ny zanany ho mpisorona handimby azy, dia izay miditra ao amin’ny tranolay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina. Alao avy eo ny ondrilahy fanokanana ka ahandroy eo amin’ny fitoerana masina iray ny henany. Ary hohanin’i Arona sy ireo zanany eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny henan’ny ondrilahy sy ny mofo izay ao anatin’ny harona. Izy ireo no hihinana ireo zavatra ireo, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa tsy mba hihinana ny vahiny satria masina ireo. Ary raha misy sisa tsy lany amin’ny henan’ny fanatitra fanokanana, na amin’ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin’ny afo ny sisa tsy lany fa tsy hohanina satria masina. Dia manaova izany amin’i Arona sy ireo zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy ireo. Ary vantotra ombilahy iray no haterinao isanandro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara amin’ny fanaovanao fanavotana ho azy; dia hosory koa izy hanamasinana azy. Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara ary ho masina izay rehetra mikasika azy. Ary izao no hatolotrao eo ambonin’ny alitara: Zanak’ondry izay herintaona, roa isanandro isanandro, koa ny zanak’ondry iray dia hatolotrao amin’ny maraina ary ny zanak’ondry iray kosa dia hatolotrao amin’ny hariva; miampy koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo amin’ny diloilo nofiazana ampahefatry ny hina, sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina miaraka amin’ilay zanak’ondry iray. Ary ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ny fanatitra maraina no hampiarahinao aminy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’NY TOMPO, dia ao amin’izay hihaonako aminareo, hitenenako aminao. Ary hihaona amin’ny Zanak’Israely ao Aho ka hohamasinin’ny voninahitro izy. Ary hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa i Arona sy ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy. Honina eo amin’ny Zanak’Israely Aho ka ho Andriamaniny. Ary ho fantany fa Izaho no TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo aminy; Izaho no TOMPO Andriamaniny. Manaova koa alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanamboaranao azy. Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, ary hatao efa-joro, ho roa hakiho kosa ny haavony, dia ataovy miray aminy ireo tandrony. Petaho takelaka volamena tsy miharo izany, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ireo tandrony, ary asio sisiny volamena manodidina azy. Asio mason-drojo volamena roa eo ambanin’ny sisiny ka ataovy eo amin’ny sisiny roa ireo; amin’ny ilany roa no hanaovanao azy ka ho fitoeran’ny bao hilanjana azy ireo. Hazo akasia no anaovy ny bao ka petaho takelaka volamena. Apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny vata misy ny Vavolombelona izy io, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao. Ary handoro ditin-kazo mani-pofona eo i Arona, koa isa-maraina, rehefa manamboatra ny fitoeran-jiro, no hanatanterahany azy; rehefa mampirehitra ireo jiro hariva koa i Arona dia mbola handoro azy ihany; ditin-kazo mani-pofona hodorana mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany. Aza manolotra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana manontolo na fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary aza mandraraka fanatitra aidina eo. Ary aoka hanao fanavotana eo amin’ireo tandrony indray mandeha isan-taona i Arona; indray mandeha isan-taona no hanaovany fanavotana ho azy amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota izay atao fanavotana, ary io dia hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby ka ho masina indrindra ho an’NY TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe: Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy. Izao no haloan’izay rehetra mandalo ny fanisana: Antsasaky ny sekela avy araka ny sekela masina ka gera roapolo ny sekela iray; eny, antsasaky ny sekela ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO. Izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, no handoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO. Ny manankarena dia tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekela ary ny mahantra dia tsy handoa latsaka, rehefa mandoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO izy hanavotana ny ainareo. Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Israely ianao ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana; dia ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO izany, ho avotry ny ainareo. Ary hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova koveta varahina mba ho fidiovana, aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara izy io ka asio rano ao anatiny. Eo no hanasan’i Arona sy ireo zanany ny tongony aman-tanany. Rehefa hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo dia hisasa amin’ny rano mba tsy ho faty; tahaka izany, rehefa manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana mba handoro ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy ireo, dia hanasa ny tongony aman-tanany mba tsy ho faty; ho lalàna maharitra aminy sy ireo zanany hatramin’ny taranany fara aman-dimby izany. Ary NY TOMPO niteny indray tamin’i Mosesy hoe: Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitsiranoka dimanjato sekela sy havozomanitra antsasak’izany, dia dimampolo sy roanjato, veromanitra dimampolo sy roanjato, kasia dimanjato, araka ny sekela masina, ary diloilon’oliva eran’ny hina; dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan’ny mpanao haro manitra, ho diloilo fanosorana masina. Dia hosory amin’izany ny tranolay fihaonana sy ny vata misy ny Vavolombelona, ny latabatra mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny fitoeran-jiro mbamin’ny fanaka momba azy, ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany. Hamasino ireo mba ho masina indrindra; ho masina izay rehetra mikasika azy. Ary hosory i Arona sy ireo zanany ka hamasino izy ireo mba hanao fisoronana ho Ahy. Avy eo dia mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ity dia ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Aoka tsy hisy hihosotra amin’izany, na hisy haka tahaka ny fanamboarana azy na iza na iza; fa masina izany ka ho masina aminareo. Izay rehetra mampiharo izay mitovy amin’izany, ary izay rehetra manosotra izany amin’ny vahiny, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. Dia hoy koa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Makà zava-manitra, dia natafa sy sekeleta ary helbena sy lebona tsy misy fangarony, atao mitovy lanja. Ary ataovy ditin-kazo manitra izany, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, misy sira, tsy misy fangarony, ary masina. Makà avy amin’izany ka totoy ho tonga vovony tena malemy, dia asio avy amin’izany eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo io. Ary ny amin’ny ditin-kazo manitra izay hataonao dia aza mba misy atao mitovy amin’izany ny ho anareo; ho masina aminao ho an’NY TOMPO izany. Izay rehetra manamboatra mitovy amin’izany ka mampiasa azy ho fofona manitra dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe: Indro, efa notononiko anarana i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda; ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, amin’ny fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahalalana ny amin’ny taozavatra maro samihafa, tahaka ny famolavolana asa kanto, ny fiasana volamena sy volafotsy ary varahina, ny fanamboarana vato halatsaka an-tranontranony ary ny fandrafetana hazo, mba hanaovany taozavatra maro samihafa. Ary indro Aho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay manan-talenta rehetra dia efa nasiako fahendrena mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao, dia ny tranolay fihaonana sy ny vata hasiana ny Vavolombelona ary ny rakotra fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra momba ny tranolay, ny latabatra mbamin’ny fanaka momba azy, ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany, ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana sy ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona sy ny fitafian’ireo zanany hoentiny manao fisoronana, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ny fitoerana masina. Araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ireo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Milazà amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO izay manamasina anareo. Koa tandremo ny Sabata fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hovonoina ho faty ary izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an’NY TOMPO: Izay rehetra manao raharaha amin’ny andro Sabata dia hovonoina ho faty. Hotandreman’ny Zanak’Israely ny Sabata ka hankatoaviny hatramin’ny taranany fara aman-dimby, fa fanekena mandrakizay izany. Ho famantarana Amiko sy amin’ny Zanak’Israely mandrakizay izany, satria henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany dia nitsahatra Izy ka niala sasatra tamin’ny andro fahafito. Rehefa vita ny teny nolazainy tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay dia nomeny azy ny vato fisaka roa izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsantanan’Andriamanitra. Rehefa hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany dia nitangorona nankeo amin’i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Mitsangàna ka anaovy andriamanitra izahay hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy. Dia hoy i Arona taminy: Esory ary ny kavim-bolamena izay eny amin’ny sofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy ka ento etỳ amiko. Dia nanala ny kavim-bolamena izay teny amin’ny sofiny ny olona rehetra ka nitondra azy ho eo amin’i Arona. Ary nandray izany tamin’ny tanan’ny olona izy ka nanamboatra izany tamin’ny fandraka sady nandrendrika azy ho ombilahy kely; dia niteny ny olona hoe: Io no andriamanitrao, ry Israely; io no nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta. Raha nahita izany i Arona dia nanorina alitara teo anoloany, sady niteny hoe: Andro firavoravoana ho an’NY TOMPO rahampitso. Dia nifoha vao maraina ny olona ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sady nitondra fanati-pihavanana; avy eo dia nipetraka nihinana sy nisotro ny olona ary nitsangana nilalao. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandehana midina ianao; fa efa tonga manao ratsy ny olonao izay noentinao niakatra avy tany Ejipta. Nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy ka efa nandrendrika ombilahy kely ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka niteny hoe: Io no andriamanitrao, ry Israely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta. Hoy koa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Efa hitako io firenena io fa indro, firenena mafy hatoka izy. Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy fa hirehitra aminy ny fahatezerako ka haringako izy, fa ianao kosa dia hataoko firenena lehibe. Nefa nifona tamin’NY TOMPO Andriamaniny i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ny olonao izay noentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny hery lehibe sy ny tanana mahery? Nahoana ny Ejiptiana no avela hilaza hoe: Hahita loza no nitondrany azy ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ny tany. Mialà amin’ny fahatezeranao mirehitra ka manenena ny amin’ny loza izay hanjo ny olonao. Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ka ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra; ary ny tany rehetra nolazaiko dia homeko ny taranakareo ary izy no handova izany mandrakizay. Dia nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony. Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. Ary ny vato fisaka dia asan’Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra, voasokitra teo amin’ny vato fisaka. Ary rehefa ren’i Josoa ny fitabataban’ny olona izay nihorakoraka dia hoy izy tamin’i Mosesy: Misy tabataban’ady atsy an-toby. Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy fa feon’ny mihira no reko. Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra. Dia nalainy ilay ombilahy kely izay nataon’ny olona ka nodorany tamin’ny afo ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny teo ambonin’ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’Israely. Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Inona no nataon’ity firenena ity taminao no nampidiranao heloka lehibe teo aminy? Dia hoy i Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona fa mpanao ratsy izy; satria hoy ireo tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo alohantsika; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy. Ary hoy aho taminy: Izay rehetra manana volamena dia aoka hanala izany; dia nomeny ahy ireo; ary natsipiko tao anaty afo ireo ka io ombilahy kely io no nivoaka tao. Rehefa hitan’i Mosesy fa navela hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona, satria navelan’i Arona ho fanakoran’ny fahavalony izy, dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe: Izay rehetra an’NY TOMPO, mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra dia niangona teo aminy. Dia hoy izy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Samia manao ny sabany eo an-tehezany avy ianareo dia mandrosoa ary miverimberena hatreny amin’ny vavahadin’ny toby iray ka hatramin’ny iray hafa, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo. Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy ny taranak’i Levy; nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’izany andro izany. Dia hoy Mosesy: Efa nanokana ny tenanareo ho an’NY TOMPO ianareo androany, satria samy namono hatramin’ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio. Nony maraina dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Efa nahavita fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny dia hiakatra ho any amin’NY TOMPO aho fa angamba havelany hanao fanavotana ny amin’ny fahotanareo aho. Dia niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: Indrisy! Efa nahavita fahotana lehibe ity firenena ity fa nanamboatra andriamanitra volamena ho azy. Ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Ianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy tsy ho eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako. Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko dia hovonoiko tsy ho eo amin’ny bokiko ny anarany. Mandehana ankehitriny ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao. Indro ny Anjeliko hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho. Ary NY TOMPO namely ny olona satria nanao ombilahy kely izy, dia ilay namboarin’i Arona. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandehana miala eto ianao sy ny firenena izay noentinao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ka miakara ho any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy. Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha ka horoahiko ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia ho any amin’ny tany izay tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, fandrao handringana anao eny an-dalana; satria olona mafy hatoka ianao. Rehefa ren’ny olona izany teny mampahory izany dia nanjoretra izy ka tsy nisy olona niravaka intsony. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Ianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, na dia indray mipy maso monja aza, dia handringana anao; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao mba ho fantatro izay hataoko aminao. Dia nanala ny firavany ny Zanak’Israely nanomboka hatreo amin’ny tendrombohitra Horeba. Fanaon’i Mosesy ny maka ny tranolay ka manorina azy eo ivelan’ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny tranolay fihaonana. Ary izay rehetra nitady NY TOMPO dia nankeny amin’ny tranolay fihaonana izay teo ivelan’ny toby. Rehefa nankeo amin’ny tranolay i Mosesy dia nitsangana ny olona rehetra ka samy nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy, ary nitazana an’i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ny tranolay. Ary rehefa niditra tao amin’ny tranolay i Mosesy dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay, ary NY TOMPO niresaka tamin’i Mosesy. Ary hitan’ny olona rehetra ny andry rahona nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay; dia nitsangana ny olona rehetra ka samy niankohoka teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy. Ary NY TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Dia niverina nankeo amin’ny toby izy; fa ny mpanompony, dia i Josoa, zatovo, zanak’i Nona, dia tsy niala teny amin’ny tranolay. Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Indro Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity; nefa Ianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Ianao efa nilaza hoe: Mahalala anao amin’ny anaranao Aho ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao. Koa ankehitriny, raha mba nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ahy ny lalanao mba hahalalako Anao ka hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity. Dia hoy Izy: Ny tenako mihitsy no handeha ka hanome anao fitsaharana. Fa hoy i Mosesy taminy: Raha tsy ny tenanao mihitsy no handeha dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ. Fa inona moa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? Moa tsy amin’ny handehananao miaraka aminay va ka hiavaka amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao? Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Hataoko koa izao zavatra nolazainao izao; fa mahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao amin’ny anaranao Aho. Dia hoy i Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. Fa hoy kosa NY TOMPO: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’NY TOMPO eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo. Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao, satria tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. Dia hoy NY TOMPO: Indro, misy toerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ny harambato ianao; koa rehefa mandalo ny voninahitro dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao ka hosaronako ny tanako mandra-pandaloko. Dia hanaisotra ny tanako Aho ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako dia tsy azon’olona jerena. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ianao hipaika vato fisaka roa tahaka ireo teo aloha dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ireo vato fisaka teo aloha izay nopotehinao; ary aoka ho vonona ianao mandra-paharain’ny andro; dia miakara ho ao amin’ny tendrombohitra Sinay rehefa maraina ka mitsangàna eo anatrehako ao an-tampon’ny tendrombohitra. Ary aoka tsy hisy olona hiakatra miaraka aminao, sady aoka tsy hisy olona ho hita eny amin’ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman’osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin’izany tendrombohitra izany. Dia nipaika vato fisaka roa tahaka ilay teo aloha i Mosesy, ary nifoha vao maraina izy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy; ary noentiny teny an-tanany ny vato fisaka roa. Ary NY TOMPO nidina tao anatin’ny rahona ka nijanona teo, teo akaikiny, dia nanonona ny anaran’NY TOMPO. Ary NY TOMPO nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: NY TOMPO, NY TOMPO, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy manamarina ny meloka fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika. Ary i Mosesy dia niondrika haingana tamin’ny tany ka niankohoka, ary niteny hoe: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho dia aoka Ianao, Tompo ô, handeha eo afovoanay ka hamela ny helokay sy ny fahotanay ary handray anay ho lovanao, na firenena mafy hatoka aza ity. Ary hoy NY TOMPO: Indro ny tenako no manao fanekena ka eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga izay tsy mbola nisy natao tany amin’ny tany manontolo sy tany amin’ny Jentilisa rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’NY TOMPO, fa mahatahotra izay zavatra hataoko miaraka aminao. Tandremo izay andidiako anao anio. Indro, horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita, ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita. Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany izay halehanao ianao ka ho fandrika eo afovoanao izany. Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambaton-tsampiny ary jinjao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany. Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy. Fandrao ianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny, na koa hanasa anao izy ka hihinana amin’ny fanatiny ianao; ary fandrao koa haka amin’ny zanany vavy ho vadin’ny zanakao lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zanany vavy ka hampandeha ny zanakao lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny. Aza manao andriamanitra narendrika ho anao. Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ny fotoana voatendry, dia amin’ny volana Abiba, fa tamin’ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Ejipta. Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin’ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman’osy; fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo, tsy hitondra fanatitra eo anatrehako. Henemana no hiasanao, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianao; na dia amin’ny fotoana fitrandrahan-tany sy amin’ny fotoana fijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao. Tandremo ny andro firavoravoana amin’ireo Herinandro, amin’ny fanaterana ny voaloham-bokatra rehefa mijinja ny varimbazaha sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonam-bokatra amin’ny fitsingerenan’ny taona. Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny faritaninao; ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao rehefa miakatra hiseho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao intelo isan-taona ianao. Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska. Ny santatra amin’ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny. Farany, hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Israely. Dia teo amin’NY TOMPO efapolo andro sy efapolo alina izy sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’NY TOMPO tamin’ny vato fisaka ny tenin’ny fanekena, dia ny Teny Folo. Ary nidina avy eo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Ary teny an-tanany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany fa namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. Nony hitan’i Arona sy ny Zanak’Israely rehetra i Mosesy fa indro, namirapiratra ny hodi-tavany, dia natahotra azy izy ireo. Nefa niantso azy ireo i Mosesy ka niverina ho eo aminy i Arona sy ny lohan’ny fiangonana rehetra; dia niteny taminy i Mosesy. Taorianan’izany dia nanakaiky koa ny Zanak’Israely rehetra; ary nandidy azy ireo i Mosesy araka izay rehetra nolazain’NY TOMPO taminy tao amin’ny tendrombohitra Sinay. Rehefa tapitra ny teny nataon’i Mosesy taminy dia nasiany sarona ny tavany. Ary rehefa niditra teo anatrehan’NY TOMPO i Mosesy hiteny Aminy dia nanaisotra ny saron-tava mandra-pialany teo. Dia niala teo izy ka nilaza tamin’ny Zanak’Israely izay nandidiana azy. Ary hitan’ny Zanak’Israely ny tavan’i Mosesy ka indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’i Mosesy ny tavany indray ny saron-tava mandra-pidiny hiteny Aminy fanindroany. Ary namory ny fiangonana i Mosesy, dia ny Israely manontolo, ka niteny taminy hoe: Izao no teny nandidian’NY TOMPO hotanterahina: Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito dia ho masina aminareo, ho tena andro fitsaharana ho an’NY TOMPO; izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hovonoina ho faty. Aza mampirehitra afo amin’ny andro Sabata any amin’izay rehetra itoeranareo. Ary niteny tamin’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo, i Mosesy hoe: Izao no teny izay nandidian’NY TOMPO hotanterahina: Makà anjara fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’izay anananareo: Izay rehetra entanin’ny fony dia aoka hitondra anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, dia volamena, volafotsy, varahina, lamba manga, volomparasy, jaky, lamba rongony fotsy madinika ary volon’osy, hoditr’ondrilahy voaloko mena, hoditra trozona, hazo akasia, diloilo hatao fanazavana, zava-manitra ho amin’ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona, ary vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ny efoda sy ho amin’ny saron-tratra. Ary aoka ny manan-talenta rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’NY TOMPO, dia ny tabernakely, ny tranolainy, ny rakotra momba azy, ny farangony, ny hazofisaka momba azy sy ny barany ary ny andriny sy ny faladiany, ny vata sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana, ny latabatra sy ny baony mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo atao fanatitra, ny fitoeran-jiro ho fanazavana mbamin’ny fanaka momba azy sy ny jirony ary ny diloilo hatao fanazavana, ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra ary ny baony, ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ny varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely, ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny harato varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny koveta sy ny faladiany, ny fefy lamba ho amin’ny kianja, ny andriny sy ny faladiany ary ny vavahady lamba ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja, ny tsatòkan-dain’ny tabernakely sy ny tsatòkan-dain’ny kianja sy ny kofehiny, ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana, hoentiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany hoentiny manao raharaham-pisoronana. Dia niala teo anatrehan’i Mosesy ny fiangonana, dia ny Israely manontolo. Dia nanatona ny olona rehetra izay nohetsehin’ny fony sy izay rehetra nentanin’ny fanahiny avy ka samy nitondra ny anjara fanomezany ho an’NY TOMPO hanaovana ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina. Ary ny olona rehetra na lahy na vavy dia nitondra izay rehetra nanentanan’ny fony azy, dia fisisika, kavina, peratra, mason-drojo volamena, firavaka volamena isan-karazany; toy izany koa ny olona rehetra izay nanolotra volamena ka nataony fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO. Ary ny olona rehetra izay nanana lamba manga, volomparasy, jaky, lamba rongony fotsy madinika, volon’osy, hoditr’ondrilahy voaloko mena ary hoditra trozona, dia nitondra ireo. Izay rehetra nanatitra volafotsy sy varahina ho anjara fanomezana dia nitondra izany ho an’NY TOMPO; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ny fanompoana dia nitondra izany koa. Ny vehivavy rehetra nanan-talenta namoly tamin’ny tanany dia nitondra izay nofolesiny, dia ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika. Ary ny vehivavy rehetra nanan-talenta ka nazoto am-po dia namoly volon’osy. Ny loholona dia nitondra ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ny efoda sy ho amin’ny saron-tratra, ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ny diloilo fanosorana ary ho amin’ny ditin-kazo mani-pofona. Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay nampirisihin’ny fony dia hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’NY TOMPO hotanterahin’i Mosesy; ireny Zanak’Israely rehetra ireny dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO. Ary hoy i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely: Indro, efa notononin’NY TOMPO anarana i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, mba hananany talenta sy fahiratan-tsaina ary fahalalana ny amin’ny taozavatra samihafa, toy ny famolavolana asa kanto, ny fiasana volamena sy volafotsy ary varahina, ny fanamboarana vato alatsaka an-tranontranony sy ny fandrafetana hazo, hanaovana izay asa kanto samihafa rehetra. Ny fahaizana mampianatra koa dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka avy amin’ny fokon’i Dana. Ary efa nofenoiny talenta izy roa lahy hanaovany ny taozavatra samihafa, dia ny an’ny mpanao sokitra sy ny mpanao asa kanto ary ny asan’ny mpanenona mahay tenona samihafa soratra, dia amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary amin’ny lamba rongony fotsy madinika ary ny an’ny mpanenona, mba hanaovana ny asa samihafa sy hamoronana asa kanto. Dia hiasa i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra, izay nomen’NY TOMPO talenta sy fahiratan-tsaina hahaizany manao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO. Ary i Mosesy dia nampiantso an’i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra izay nasian’NY TOMPO talenta tao an-tsainy, dia izay rehetra nohetsehin’ny fony hankeo amin’ny asa, hanatanteraka izany. Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy. Dia nanatona ireo manan-talenta rehetra izay nanao ny asa manontolo ao amin’ny fitoerana masina, ary niala tamin’ny asa nataony avy ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona dia mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavitana ny fanompoana amin’ny asa nandidian’NY TOMPO. Dia nandidy i Mosesy ka nandefa teny manerana ny toby hoe: Aza misy manao zavatra ho fandraisana anjara ho amin’ny fitoerana masina intsony ianareo, na lahy na vavy. Izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony; fa ny zavatra efa nomanina dia ampy hanaovana ny asa rehetra ary nanana amby aza. Ny manan-talenta rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanamboatra ny tabernakely: Ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany. Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: Nitovy refy ny ambainy rehetra. Ambainy dimy no navitrany ho iray; ary ambainy dimy hafa koa no navitrany ho iray hafa. Nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ny ambainy farany izy, dia teo amin’ny sisin’ny iray efa voavitrana koa. Tadivavarana dimampolo no nataony teo amin’ny ambainy iray ary tadivavarana dimampolo koa no nataony teo amin’ny sisin’ny ambainy izay amin’ny iray efa voavitrana hafa koa; ary nifandray ny tadivavarana. Nanao farango volamena dimampolo izy ka nakambany tamin’ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely. Nanao ambainy tamin’ny volon’osy koa izy ho lay handrakofana ny tabernakely; iraika amby folo ambainy no nanaovany azy. Ny halavan’ny ambainy iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy refy ny ambainy iraika amby folo. Navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina sisa kosa dia hakambana. Nanao tadivavarana dimampolo ho eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana izy; ary tadivavarana dimampolo hafa koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa efa voavitrana koa. Ary nanao farango varahina dimampolo izy hampikambana ny lay ho iray. Nataony tamin’ny hoditr’ondrilahy voaloko mena ny rakotry ny lay, ary sarona hoditra trozona no ho eo amboniny. Nanao ny hazofisaka akasia ho amin’ny tabernakely izy, dia tsangankazo akasia. Folo hakiho ny haavon’ny hazofisaka iray ary iray hakiho sy sasany ny sakan’ny hazofisaka iray. Lahiny roa no amin’ny hazofisaka iray ka nasiany izay hikambanany. Izany no nanaovany ny hazofisaka rehetra tamin’ny tabernakely. Nanao ny hazofisaka ho amin’ny tabernakely izy, hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny atsimo. Nanao faladia volafotsy efapolo izy ho eo ambanin’ny hazofisaka roapolo, faladia roa avy ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay hiorenan’ny lahiny roa. Nanao hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny faharoa amin’ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra. Nanao faladiany volafotsy efapolo izy, faladia roa avy ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay. Nanao hazofisaka enina izy ho eo amin’ny lafiny andrefana izay eo aorianan’ny tabernakely. Nanao hazofisaka roa izy ho eo amin’ny zoron’ny tabernakely tamin’ny lafiny ao aoriana. Nakambana ho iray hatrany ambany ka hatrany ambony ireo, dia hiray tsara hatrany an-tampony eo amin’ny mason-drojo tokana; nataony toy izany koa ny roa ho eo amin’ny zorony roa. Ary nisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy avy, izany hoe faladia enina amby folo; faladia roa avy no ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay. Ary hazo akasia no nataony barany: Dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely, barany dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny iray koa amin’ny tabernakely, ary barany dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny andrefana izay ao aorianany. Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ny hazofisaka ka hahatratra ny farany roa. Ny hazofisaka dia nopetahany takelaka volamena, ary nataony volamena koa ny mason-drojo aminy, izay hitoeran’ny barany; nopetahany takelaka volamena koa ny barany. Ny efitra lamba dia nataony miloko manga, volomparasy, jaky ary rongony fotsy madinika voatenona; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany. Nanamboatra andry efatra tamin’ny hazo akasia izy mba hihantonan’izany, ary nopetahany takelaka volamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; dia nandrendrika faladia volafotsy efatra izy mba hiorenany. Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay izy, dia tamin’ny manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra. Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takelaka volamena ny lohany sy ny farango hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina. Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony; nopetahany takelaka volamena tsy miharo tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany sisiny volamena manodidina. Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy koa izy ka nataony teo amin’ny tongony efatra, dia roa no teo amin’ny lafiny iray, ary mason-drojo roa no teo amin’ny lafiny iray koa. Ary nanao bao tamin’ny hazo akasia izy ka nopetahany takelaka volamena. Nampidiriny ho ao amin’ny mason-drojo izay eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy. Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ny volamena tsy miharo izy: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany. Dia nanao kerobima volamena roa izy; iray vongana amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany azy roa, koa ny kerobima iray dia nataony teo amin’ny sakany iray ary ny kerobima iray kosa dia teo amin’ny sakany iray hafa; iray vongana amin’ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin’ny sakany roa. Ary nivelatra teo ambony ny elatry ny kerobima ka nalofan’io elany io ny rakotra fanaovam-panavotana; nifanatrika ny tavany sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa. Nanao ny latabatra tamin’ny hazo akasia koa izy; roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony. Nopetahany takelaka volamena tsy miharo izy io sady nasiany sisiny volamena manodidina azy. Nasiany sisiny felatanana iray manodidina azy ary nasiany sisiny volamena ny manodidina. Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy izy ka nataony teo amin’ny zorony efatra eo amin’ny tongony efatra: Eo akaikin’ny sisiny no nisy ny mason-drojo ho fitoeran’ny bao hilanjana ny latabatra. Ary nanao ny bao tamin’ny hazo akasia izy hilanjana ny latabatra ka nopetahany takelaka volamena. Nanao ny fanaka izay eo ambonin’ny latabatra indray izy, dia ny loviany sy ny loviakeliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no nanaovany ireo. Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny. Nisy rantsany enina tamin’ny ilany roa, dia rantsany telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray, ary rantsana telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray hafa koa; teo amin’ny rantsany iray dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; teo amin’ny sampany iray koa dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ny rantsany enina tamin’ny fitoeran-jiro. Teo amin’ny fitoeran-jiro dia nisy foto-boniny efatra natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny, dia bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa koa sady miray aminy; amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro izany. Ny bokony sy ny rantsany dia niray taminy avokoa; izy rehetra dia natao vongana iray tamin’ny volamena iray tsy miharo. Nataony tamin’ny volamena tsy miharo ny jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony. Volamena tsy miharo, talenta iray, no nanaovany azy io mbamin’ny fanaka rehetra momba azy. Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: Iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izany; ary roa hakiho ny haavony; nataony miray aminy ny tandrony. Ary nopetahany takelaka volamena tsy miharo izany, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; nasiany sisiny volamena manodidina io. Nasiany mason-drojo volamena roa teo ambanin’ny sisiny ka nataony teo amin’ny zorony efatra ireo ho fitoeran’ny bao hilanjana azy. Hazo akasia no nanaovany ny bao ka nopetahany takelaka volamena. Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra. Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo tamin’ny hazo akasia izy: Dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efamira izany; telo hakiho kosa ny haavony. Nanao ny tandrony teo amin’ny zorony efatra izy ka nataony miray aminy, dia nopetahany takelaka varahina ireo. Nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny, ny fandraofan-davenona, ny sotron’afony, ny loviany famafazana, ny fitrebiny ary ny fitondran’afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy. Nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ny alitara izy, eo ambanin’ny alitara hatreo amin’ny fisasahany izany. Dia nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ny bao. Nanao ny bao tamin’ny hazo akasia izy ka nopetahany takelaka varahina. Dia nampiditra ny bao teo amin’ny mason-drojo izay teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Hazofisaka no narafiny ho alitara ka nataony poakaty. Ny koveta varahina sy ny faladiany varahina kosa no nataony tamin’ny fitaratra varahin’ireo vehivavy izay nanompo teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. Tamin’ny lafiny avaratra koa dia nisy fefy lamba zato hakiho ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. Tamin’ny lafiny andrefana dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ka folo ny andriny ary folo ny faladiany; volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. Ny lafiny atsinanana dia nataony dimampolo hakiho ka nisy fefy lamba dimy amby folo hakiho tamin’ny ilany iray, telo ny andriny ary telo ny faladiany. Nisy fefy lamba dimy amby folo hakiho tamin’ny ilany iray koa, telo ny andriny ary telo ny faladiany. Nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona avokoa ny fefy lamban’ny kianja manodidina. Ary ny faladian’ny andriny dia nataony varahina; ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany dia nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takelaka volafotsy; samy nisy farango volafotsy hitohizany avokoa ny andriny rehetra tamin’ny kianja. Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; roapolo hakiho ny halavany; ary ny haavony dia nitovy tamin’ny lambanan-damba, dimy hakiho, araka ny haavon’ny fefy lamban’ny kianja. Efatra ny andriny, ary efatra ny faladiany varahina; ny fihantonany dia volafotsy; ny takelaka tamin’ny lohany sy ny farango hitohizany koa dia volafotsy. Ary ny tsatòkan-day amin’ny tabernakely sy amin’ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa. Izao no isan’ny zavatra momba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay voaisa araka ny nandidian’i Mosesy, satria natao fanompoan’ny levita, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny fanisana azy. Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika. Talenta sivy amby roapolo ary sekela telopolo amby fitonjato, araka ny sekela masina, ny fitambaran’ny volamena lany tamin’ny asa rehetra tamin’ny fitoerana masina dia ny volamena izay natao fanatitra asandratra. Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina. Beka iray isan’olona; izany hoe antsasaky ny sekela iray araka ny sekela masina no naloan’izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia olona dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy. Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: Faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato ary talenta iray ho an’ny faladiany iray. Sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo no nanamboarany ny fihantonana tamin’ny andry sy nametahana takelaka tamin’ny lohany ary nanaovany ny farango hitohizany. Ny varahina izay natao fanatitra asandratra dia talenta fitopolo sy sekela efajato sy roa arivo. Ary tamin’izany no nanaovany ny faladian’ny varavaran’ny tranolay fihaonana sy ny alitara varahina, ary ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara, ny faladian’ny kianja manodidina, ary ny faladian’ny vavahadin’ny kianja, ny tsatòkan-dain’ny tabernakely ary ny tsatòkan-day rehetra momba ny kianja manodidina. Tamin’ny lamba manga, volomparasy ary jaky no nanaovana ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ary natao ny fitafiana masina ho an’i Arona araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dia nanao ny efoda tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika voahasina izy. Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy dia nandidididy azy ho kofehy volamena ka nataony tady miaraka amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay. Nataony nisy soroka izay nihazona ny efoda tamin’ny tendrony roa avy. Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ary nataony volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary kofehy rongony fotsy madinika voahasina, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Nasiany randram-bolamena manodidina kosa ny vato berila dia nosoratany taminy, araka ny fanoratana fitombo-kase, ny anaran’ny Zanak’Israely. Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dia nataony ny saron-tratra, izay asan’ny mpanenona mahay, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny rongony fotsy madinika voahasina. Efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, irain-jehy avy ny lafiny efatra sady niforitra roa izany. Dia nasiany vato alatsaka an-tranontranony izany, vato efatra andalana: Ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeraoda; ny andalana faharoa dia robisy sy safira ary oniksa; ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametista; ary ny andalana fahefatra dia krizolita sy berila ary jaspy. Nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy. Ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ny fokon’ny Zanak’Israely, roa amby folo araka ny anarany avy. Izy ireo dia nitondra ny anaran’ny foko roa amby folo, voasoratra toy ny amin’ny fitombo-kase. Nasiany rojo kely volamena tsy miharo, mifanolana toy ny tady, teo amin’ny saron-tratra. Nataony koa ny randram-bolamena roa sy mason-drojo volamena roa; ny mason-drojo dia natao teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. Ny tady volamena roa dia nataony teo amin’ny mason-drojo roa izay amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra. Ny lanin’ny tady roa dia nataony teo amin’ny randram-bolamena roa, ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda, teo anoloana. Nataony indray koa ny mason-drojo volamena roa, natsofony teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny izay mikasika ny efoda. Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda. Kofehy manga no namehezany ny mason-drojon’ny saron-tratra tamin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo, dia araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Nataony indray ny akanjobe misy ny efoda, asan’ny mpanenona, ka nataony miloko manga tokam-bolo. Ny vozon’ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy haharovitra azy. Teo amin’ny morontongotry ny akanjobe dia nasiany sarin’ampongabendanitra miloko manga, volomparasy, jaky voahasina; ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra: Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Lamba rongony fotsy madinika no nanaovany ny akanjo lava, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany. Lamba rongony fotsy madinika koa no nanaovany ny fehiloha, ary ny satroka tsara tarehy ihany koa dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika; ny kalisaonina fohy dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina. Ny fehikibo koa dia lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy ary jaky, asan’ny mpahay tenona samihafa soratra, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO. Dia nasiany kofehy manga hamehezana azy amin’ny fehiloha eo ambony, dia araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dia vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, satria efa nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely. Dia noentiny teo amin’i Mosesy ny tabernakely, dia ny tranolay sy ny fanaka rehetra momba azy, ny farangony sy ny hazofisaka ary ny barany, ny andriny, ny faladiany, ny rakotra hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ny sarona hoditra trozona, ny efitra lamba fanakonana, ny vatan’ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana, ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo atao fanatitra, ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo sy ireo jiro, dia ireo jiro izay halahatra eo aminy sy ny fanaka rehetra momba azy, ny diloilo hatao fanazavana, ny alitara volamena, ny diloilo fanosorana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay, ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ny koveta sy ny faladiany, ny fefy lamba eo amin’ny kianja sy ny andriny ary ny faladiany sy ny vavahady lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja, ny kofehiny, ny tsatòkan-day ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana, izay hoenti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany izay hoenti-manao fisoronana. Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ny Zanak’Israely ny asa rehetra. Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakely na ny tranolay fihaonana. Ataovy ao ny vata misy ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny vata. Ento ny latabatra ka alaharo izay eo amboniny; ento koa ny fitoeran-jiro ka ampireheto ny jiro. Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely. Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo dia apetraho eo anoloan’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana. Apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny koveta dia asio rano ao anatiny. Dia amboary ny kianja manodidina ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja. Avy eo dia alao ny diloilo fanosorana ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, ary hamasino miaraka amin’ny fanaka rehetra momba azy ka ho masina izany. Hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanaka rehetra momba azy; hamasino ny alitara dia ho masina indrindra. Hosory ny koveta sy ny faladiany ka hamasino izany. Dia ampanatony i Arona sy ireo zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano. Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy. Ampanatony ireo zanany ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. Dia hosory izy ireo, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba hanao fanompoam-pisoronana ho Ahy. Izany fanosorana azy ireo izany dia ho fisoronana maharitra hatramin’ny taranany fara aman-dimby. Dia nataon’i Mosesy izany, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely. Nanangana ny tabernakely i Mosesy; napetrany ny faladiany ary natsangany ny hazofisaka momba azy dia nampidiriny ny barany ary natsangany ny andriny. Novelariny teo ambonin’ny tabernakely koa ny lay ary nataony teo amboniny ny rakotry ny tranolay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy. Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny vata, ary ny bao dia nataony teo amin’ny vata, ny rakotra fanaovam-panavotana indray dia napetrany teo ambonin’ny vata. Ary ny vata dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely ka nahantony ny efitra lamba fanakonana mba hanakona ny vata misy ny Vavolombelona, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana ny latabatra, teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tabernakely, teo ivelan’ny efitra lamba. Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’NY TOMPO izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Ny fitoeran-jiro dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely. Dia nampirehitra ireo jiro teo anatrehan’NY TOMPO izy, araka izay nandidian’NY TOMPO azy. Ny alitara volamena dia nataony tao amin’ny tranolay fihaonana, teo anoloan’ny efitra lamba, ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Nataony teo amin’ny varavaran’ny tabernakely ny varavarana lamba. Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana, ary nateriny teo ambonin’io ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Ny koveta dia nataony teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara ka nasiany rano ho fidiovana tao anatiny. Teo no nanadiovan’i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany ny tongony aman-tanany. Rehefa niditra ao amin’ny tranolay fihaonana mantsy izy ireo ka nanakaiky ny alitara dia nisasa, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara ka ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ny vavahadin’ny kianja. Dia vitan’i Mosesy ny asa rehetra. Ary nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely. Tsy afaka niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy satria ny rahona dia nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely. Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely. Fa raha tsy niakatra kosa ny rahona dia tsy niainga izy, mandra-piavin’izay andro hiakarany indray. Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany. NY TOMPO niantso an’i Mosesy ka niteny taminy avy tao amin’ny tranolay fihaonana hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy aminareo manolotra biby fiompy ho fanatitra ho an’NY TOMPO dia omby na ondry na osy no hatolotrareo. Raha omby no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hoentiny; eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana azy eo anatrehan’NY TOMPO. Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy. Dia hamono ny omby eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny ra ka hamafy azy manodidina ny alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Hendahiny ny hoditry ny fanatitra dorana manontolo ka horasainy tsara. Ary ireo zanak’i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ny afo. Ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia handahatra izay voarasa mbamin’ny lohany sy ny jaborany eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara; nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ireo rehetra ireo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Raha ondry na osy no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hatolony. Hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy, ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ny ra manodidina ny alitara. Horasainy tsara ilay fanatitra mbamin’ny lohany sy ny jaborany ka halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay izay eo amin’ny afo eo ambonin’ny alitara; nefa ny taovany sy ny tongony kosa dia hosasany amin’ny rano. Hoentin’ny mpisorona ireo rehetra ireo ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara. Ho fanatitra dorana manontolo izany, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Raha vorona no atolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo dia domohina na voromailala no hatolony ho fanatitra. Haterin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, dia hotapahiny ny lohany ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara sady hofiazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny rany. Hesoriny ny takorobabony sy ny volony dia hariany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitoeran-davenona. Hosamahiny ny elany nefa tsy hotapahiny hiala amin’ny vatany; ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny kitay eo amin’ny afo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Raha misy manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO dia koba tsara toto no hataony fanatitra ary handraraka diloilo sy hanisy ditin-kazo manitra eo amboniny izy. Hitondra izany ho any amin’ireo mpisorona zanak’i Arona izy, dia handraofan’izy ireo eran’ny tanana ila ny koba sy ny diloilon’ny fanatitra mbamin’ny ditin-kazo manitra rehetra. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany. Ny sisa amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’i Arona sy ireo zanany; anjara tena masina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany. Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny fanendasa-mofo ianao dia aoka ho mofo tsy misy masirasira vita amin’ny koba tsara toto sady voaharo diloilo, miampy mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo. Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny lapoaly no fanatitrao dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira. Hovakivakinao sy horarahanao diloilo ilay izy; fanatitra avy amin’ny zavamaniry izany. Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry nahandroina tamin’ny vilany no atolotrao dia koba tsara toto asiana diloilo no atao. Hoentinao ho an’NY TOMPO ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay vita amin’ireo zavatra ireo; rehefa voaatitra eo amin’ny mpisorona ireo dia hoentiny eo amin’ny alitara. Ary haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ny mpisorona ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, izany. Ny sisa amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’i Arona sy ny zanany, ho anjara tena masina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay atolotrareo ho an’NY TOMPO dia aza asiana masirasira; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hakanareo hodorana ho fofona ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra ireo ho an’NY TOMPO, kanefa tsy hakarina eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany. Samy asio sira avokoa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao rehetra; ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao; fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra. Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO avy amin’ny voaloham-bokatra ianao dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango avy amin’ny salohy vao, no hatolotrao ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy amin’ny voaloham-bokatrao. Hasianao diloilo izany sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry izany. Hodoran’ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny lango sy avy amin’ny diloilo ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany. Raha fanati-pihavanana no atolony, ka ombilahy na ombivavy no atolony, dia izay tsy misy kilema no hatolony eo anatrehan’NY TOMPO. Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ra manodidina ny alitara. Dia hakan’ny mpisorona ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy, ny voany roa, ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fanalany izany. Ary ireo zanak’i Arona dia handoro an’ireo ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo izay eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany. Raha ondry na osy no atolony ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hatolony. Raha ondry no atolony ho fanatitra dia hoentiny eo anatrehan’NY TOMPO izany. Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hofafazan’ireo zanak’i Arona ra ny manodidina ny alitara. Hakan’ireo ny fanati-pihavanana ka hatolony ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny hofany manontolo; faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fakàny izany. Ny jaborany, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fanesorany izany. Ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; hanina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany. Ary raha osy no fanatiny dia hatolony azy eo anatrehan’NY TOMPO izany. Hametraka ny tanany eo amin’ny lohany izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hamafy ra manodidina ny alitara ireo zanak’i Arona. Avy amin’io no hanaterany ny fanatiny atao amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra, ny jaboran-tsinainy, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fakany ireny. Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; sakafo avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana izany fa an’NY TOMPO ny jabora rehetra. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany; eny amin’izay rehetra itoeranareo dia tsy hihinana jabora na ra akory ianareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy amin’ny fandikana ny iray amin’ireny didin’NY TOMPO rehetra ireny ka manao izay tsy tokony hatao: Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona dia aoka izy hanolotra vantotra ombilahy tsy misy kilema noho ny fahotana izay vitany, dia fanatitra fanadiovana ho an’NY TOMPO. Hitondra ny vantotra ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy ary hamono azy eo anatrehan’NY TOMPO. Hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy dia hoentiny ho ao amin’ny tranolay fihaonana; ary hanatsoboka ny fanondrony ao amin’ny ra ny mpisorona ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny efitra lamba ao amin’ny fitoerana masina izany. Hotentenan’ny mpisorona ra ireo tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO, dia ireo ao amin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra avy amin’ny vantotra ombilahy kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Dia halainy avokoa ny jaborany rehetra amin’ilay vantotra ombilahy izay atao fanatitra fanadiovana, dia ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny jaboran-tsinainy, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fakany izany, tahaka ny fanalana azy amin’ny omby izay atao fanati-pihavanana ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ny mpisorona. Fa ny hoditry ny vantotra ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ny lohany, ny tongony, ny taovany ary ny tain-drorohany, izany hoe ny tenan’ny vantotra ombilahy manontolo kosa indray no havoakany ho eny ivelan’ny toby, ho eny amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona. Handoro azy eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izy; eo amin’ny fanariana ny lavenona no handoroana azy. Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy, rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana mba ho fanatitra fanadiovana ka hitondra izany ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana. Ary ny loholon’ny fiangonana dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy eo anatrehan’NY TOMPO dia hovonoina eo anatrehan’NY TOMPO ilay vantotra ombilahy. Avy eo dia hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy ka hoentiny ao amin’ny tranolay fihaonana; ary hanatsoboka ny fanondrony amin’ny ra ny mpisorona ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny efitra lamba izany. Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana. Hesoriny ny jaborany rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara. Ary ilay vantotra ombilahy dia hataony tahaka ny nataony tamin’ny vantotra ombilahy izay natao fanatitra fanadiovana, toy izany no hanaovany azy. Dia hanao fanavotana ho an’ny olona ny mpisorona ka havela ny helony. Ary ilay vantotra ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany tahaka ny nandoroany ny vantotra ombilahy voalohany. Fanatitra fanadiovana ho an’ny fiangonana izany. Raha misy mpanapaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO Andriamaniny amin’izay tsy tokony hatao, raha misy olona mampahafantatra azy ny fahotana nataony, dia hitondra osilahy iray tsy misy kilema ho fanatiny izy. Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny osilahy izy dia hamono azy eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo eo anatrehan’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany. Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo; ny ra sisa kosa dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo. Ny jaborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara, tahaka ny jaboran’ny fanati-pihavanana. Ary hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany ny mpisorona dia havela ny helony. Raha misy olona amin’ny vahoaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao, raha misy olona mampahafantatra azy ny fahotana nataony, dia hitondra osivavy iray tsy misy kilema ho fanatiny noho ny fahotana izay vitany izy. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy eo amin’ny fitoeran’ny fanatitra dorana manontolo. Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ny ra sisa rehetra kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara. Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny fanati-pihavanana, ary handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara ny mpisorona ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona dia havela ny helony. Raha ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota dia vavy iray tsy misy kilema no hoentiny. Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy ho fanatitra fanadiovana eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo. Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana dia hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara. Hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo amin’ny alitara, eo ambonin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany izay nataony dia havela ny helony. Raha misy manota, satria mandre teny fanozonana ka vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara dia meloka noho izany izy. Raha misy mahakasika zavatra tsy madio, na fatin’ny biby tsy madio, na fatin’ny biby fiompy tsy madio, na fatin’ny biby mandady na mikisaka tsy madio, na tsy hitany aza izany, dia maloto sy meloka noho izany izy. Raha misy mahakasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, na tsy hitany aza izany, rehefa fantany fotsiny, dia meloka izy. Raha misy mianiana ka miteniteny foana amin’ny molotra, hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin’ny olona foana ka asiany fianianana, nefa hadinony izany, dia meloka amin’ny iray amin’ireo izy rehefa tsaroany izany. Koa amin’izany, raha meloka amin’ny iray amin’ireo izy, dia hiaiky ny fahotana vitany ka hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO noho ny fahotany, dia ondrivavy na osivavy, ho fanatitra fanadiovana; ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotany. Ary raha tsy takatry ny ananany izany dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho an’NY TOMPO izy ho fanati-panonerany noho ny nanotany, koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo. Dia hitondra ireo ho eo amin’ny mpisorona izy ary ny mpisorona kosa dia hanatitra ny iray aloha, ho fanatitra fanadiovana, ka hotapahiny ny lohany nefa tsy hosarahiny amin’ny vatany. Hamafazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny ran’ny fanatitra fanadiovana; ny ra sisa dia hofiazany eo an-tongotry ny alitara. Fanatitra fanadiovana izany. Hataony fanatitra dorana manontolo kosa ny iray, araka ny fanao, ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotana izay vitany dia havela ny helony. Fa raha mbola tsy takatry ny ananany ihany koa ny domohina roa na ny voromailala roa dia hitondra ny fanatitra noho ny fahotany izy, koba tsara toto ampahafolon’ny efaha ho fanatitra fanadiovana; tsy hasiany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo manitra satria fanatitra fanadiovana. Dia hoentiny eo amin’ny mpisorona io ka handraofan’ny mpisorona eran’ny tanana ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ary hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany. Ary hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny fahotana izay nataony tamin’ny iray amin’ireo dia havela ny helony. Toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’ny mpisorona ny sisa. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ireo zava-masin’NY TOMPO dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekela volafotsy no anombananao azy, araka ny sekela masina, ho fanati-panonerana. Honerany izay nanotany ny amin’ny zava-masina, ary hampiany ampahadiminy ka hatolony ny mpisorona. Ary hanao fanavotana ho azy amin’ny ondrilahy atao fanati-panonerana ny mpisorona dia havela ny helony. Raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO, nefa tsy fantany izany, dia meloka izy, ary mitondra ny helony. Hitondra ondrilahy iray tsy misy kilema ho eo amin’ny mpisorona izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana. Dia hanao fanavotana ho azy ny mpisorona noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony. Fanati-panonerana izany satria efa meloka tamin’NY TOMPO tokoa izy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’NY TOMPO fa mandainga amin’ny namany ny amin’izay zavatra nampitahirizina azy, na amin’ny zavatra notanany ho antoka, na amin’izay nalainy an-keriny, na nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga sady manao fianianana mandainga ny amin’izay fahotana mety mahavoa ny olona satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny izy, na izay tamin’ny fampahoriana, na izay nampitahirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nanaovany fianianana mandainga. Hanonitra manontolo izany izy sady hanampy koa ny ampahadiminy, ary homeny ilay tompon-javatra amin’ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ny fanati-panonerana hoentiny ho an’NY TOMPO dia ondrilahy iray tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ny mpisorona. Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO dia havela ny helony na inona na inona fahadisoana vitany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandidia an’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo: Ny fanatitra dorana manontolo dia hatao eo amin’ny fatana eo an-tampon’ny alitara mandritra ny alina mandra-maraina ary ny afon’ny alitara dia hirehitra eo. Ary hanaovan’ny mpisorona ny akanjony vita amin’ny lamba rongony, ary ny kalisaonina vita amin’ny lamba rongony dia hataony manolo-koditra; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana manontolo izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara. Dia hanala ny fitafiany izy ary hitafy fitafiana hafa ka hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby amin’izay toerana madio. Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana. Hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ny alitara fa tsy havela ho faty. Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny alitara. Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy. Tsy hasiana masirasira izany rehefa hendasina fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho Ahy. Zavatra tena masina izany, tahaka ny fanatitra fanadiovana sy tahaka ny fanati-panonerana. Ny lehilahy rehetra amin’ny zanak’i Arona no mahazo mihinana azy io. Ho anjara maharitra ho an’ny taranakareo fara aman-dimby avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany, ary ho masina izay rehetra mikasika azy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva. Amin’ny lapoaly no hanaovana azy ka asiana diloilo; rehefa mifangaro tsara izy dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Ilay mpisorona avy amin’ireo zanany izay voahosotra handimby azy no hanatanteraka izany. Lalàna maharitra izany ka hodorana ho fofona avokoa ho an’NY TOMPO. Eny, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay aterin’ny mpisorona dia hodorana avokoa fa tsy hohanina. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra fanadiovana: Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana eo anatrehan’NY TOMPO ny fanatitra fanadiovana. Zavatra tena masina izany. Ilay mpisorona manao ny fanatitra fanadiovana no hihinana azy; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy, eo amin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana. Ho masina izay rehetra mikasika ny henany, ary raha misy fitafiana ipitihan’ny rany dia hosasanao eo amin’izay fitoerana masina ny faritra nipitihany. Ny vilany tany izay nahandroana azy dia hovakivakina; nefa raha vilany varahina kosa no nahandroana azy dia hofotsina sy hosasana amin’ny rano izany. Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no mahazo mihinana azy. Zavatra tena masina izany. Koa ny fanatitra fanadiovana izay hakana ra hoentina ao amin’ny tranolay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ny fitoerana masina, dia tsy hohanina fa hodorana amin’ny afo. Ary izao no lalàna momba ny fanati-panonerana izay zavatra tena masina: Eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana manontolo no hamonoana ny fanati-panonerana. Hafafy manodidina ny alitara ny ra. Haterina avokoa ny hofany sy ny jaborany rehetra, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe; hatao indray manala amin’ny voany no fakàna ireo. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ireo. Fanati-panonerana izany. Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy. Zavatra tena masina izany. Ho tahaka ny fanatitra fanadiovana ny fanati-panonerana ka lalàna iray no ho amin’izy roa: Ho an’ny mpisorona izay manao ny fanavotana izany. Hahazo ny hoditry ny fanatitra dorana manontolo izay aterin’ny olona ilay mpisorona izay manao ny fanatitra. Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay voaendy amin’ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin’ny vilany fahandroana na amin’ny lapoaly dia ho an’ilay mpisorona manolotra azy. Fa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra na izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an’ny zanak’i Arona rehetra tsy an-kanavaka. Ary izao no lalàna momba ny fanati-pihavanana izay hatolotra ho an’NY TOMPO: Raha misy manolotra izany ho fanati-pisaorana dia izao no hatolony ho fanampiny: Mofo tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira voahosotra diloilo ary mofo atao amin’ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo. Miaraka amin’ny mofo misy masirasira no hanolorany ny fanatiny, ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana. Hakany iray avy ny isam-panatitra ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO; ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny fanati-pihavanana izany. Ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Raha fanalam-boady na fanatitra an-tsitrapo kosa no atolony dia amin’ny andro itondrany ny fanatiny no hihinanana azy ary hohanina ny ampitson’iny izay ambiny. Fa ny sisa amin’ny henan’ny fanatitra dia hodorana amin’ny afo amin’ny andro fahatelo. Raha toa ka ihinanana amin’ny andro fahatelo ny henan’ny fanati-pihavanana, na dia sombiny kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’izay manolotra azy izany fa maloto; ary ny olona izay mihinana amin’izany dia ho meloka. Tsy hohanina ny hena izay mikasika zava-maloto fa hodorana amin’ny afo; ary ny amin’ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy; fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ny fanati-pihavanana, izay an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. Ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’olona na biby maloto na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ny henan’ny fanati-pihavanana izay an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Aza mihinana jabora mihitsy ianareo, na jaboran’omby na jaboran’ondry na jaboran’osy. Azo ampiasaina amin’ny raharaha rehetra ihany ny jaboran’ny biby izay maty ho azy sy ny jaboran’izay noviraviraim-biby kanefa aza mihinana azy ianareo. Fa izay rehetra mihinana jaboran’ny biby fiompy, izay fanao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. Aza mihinana ra eny amin’izay rehetra itoeranareo, na ny an’ny vorona, na ny an’ny biby fiompy. Izay rehetra mihinana ra dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Izay manolotra ny fanati-pihavanany ho an’NY TOMPO dia hitondra ny fanatiny ho an’NY TOMPO avy amin’ny fanati-pihavanany. Ny tanany ihany no hitondra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ny jaborany mbamin’ny tratrany no hoentiny ka ny tratrany dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny jaboran’ny fanatiny, fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany. Ary ny feny havanana dia halainareo amin’ny fanati-pihavananareo ka homenareo ny mpisorona. Ny iray amin’ireo zanak’i Arona izay manolotra ny ran’ny fanati-pihavanana sy ny jaborany no hahazo ny feny havanana ho anjarany. Fa ny tratran’ny fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra dia efa nalaiko tamin’ny Zanak’Israely avy amin’ny fanati-pihavanany ary nomeko ho an’i Arona mpisorona sy ireo zanany, ho anjarany maharitra avy amin’ny Zanak’Israely. Ireo no anjaran’i Arona sy anjaran’ireo zanany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, nanomboka tamin’ilay andro nanolorana azy ireo ho mpisorona ho an’NY TOMPO, dia izay nodidian’NY TOMPO mba homena azy avy amin’ny Zanak’Israely amin’ilay andro hanosorana azy, ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby. Izany no lalàna momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra fanadiovana sy ny fanati-panonerana, ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana, izay didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy tao amin’ny tendrombohitra Sinay, tamin’ny andro izay nanomezany didy ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO, tany an-tany efitr’i Sinay. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Ento i Arona sy ireo zanany, ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana miaraka amin’ny vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira, dia vorio ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fiangonana manontolo. Nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy i Mosesy ka vory teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fiangonana. Hoy i Mosesy tamin’ny fiangonana: Izao no raharaha nandidian’NY TOMPO. Dia nampanatonin’i Mosesy i Arona sy ireo zanany ka nampandroiny tamin’ny rano. Avy eo dia nampiakanjoiny ny akanjo lava i Arona ka nasiany fehikibo sy nampanaoviny ny akanjo ivelany; dia nataony taminy ny efoda ary nasiany ny fehikibo momba ny efoda izy ka namehezany ny efoda taminy izany. Ary ny saron-tratra dia nataony taminy ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima. Nataony teo an-dohany ny fehiloha sy ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin’ny fehiloha, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dia nalain’i Mosesy ny diloilo fanosorana ka nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ary nohamasininy. Namafazany impito teo ambonin’ny alitara ny diloilo, nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany mba hahamasina azy ireny. Nandrarahany teo amin’ny lohan’i Arona avy eo ny diloilo fanosorana ka nanosotra azy izy mba hanamasinana azy. Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanak’i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, nasiany fehikibo, dia nampisatrohany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Noentiny nanatona koa ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana. Koa nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana i Arona sy ireo zanany. Dia novonoiny iny ary nalain’i Mosesy ny ra ka nohosorany tamin’ny fanondrony ireo tandroka manodidina ny alitara mba hanadiovany azy tamin’ny ota. Ny ra sisa kosa dia naidiny teo an-tongotry ny alitara izay nohamasininy tamin’ny fanaovana fanavotana ho azy. Dia nalainy ny jaboran-tsinainy rehetra sy ny ila atiny lehibe ary ny voany mbamin’ny jabora mandrakotra azy ka nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ireo. Fa ilay vantotra ombilahy, ny hodiny ary ny henany sy ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby, araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dia noentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana manontolo; ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany. Dia novonoina iny ka nofafazan’i Mosesy ra ny manodidina ny alitara. Norasainy tsara ny ondrilahy dia nodoran’i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny jaborany. Nosasany tamin’ny rano ny taovany sy ny tongony; ary nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ny tenan’ilay ondrilahy manontolo. Fanatitra dorana manontolo izany mba ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dia noentiny nanatona koa ny ondrilahy faharoa, dia ny ondrilahy fanokanana; ary nametraka ny tanany tamin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany. Novonoiny iny, ary nakan’i Mosesy ny ra ka nahosony teo amin’ny ravin-tsofin’i Arona havanana sy tamin’ny ankiben-tanany havanana ary tamin’ny ankiben-tongony havanana. Nampanatoniny koa ireo zanak’i Arona ka nohosoran’i Mosesy ra ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana; dia nofafazan’i Mosesy ny ra sisa ny manodidina ny alitara. Nalainy ny jaborany sy ny hofany, ny taovany rehetra, ny ila atiny lehibe, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana. Nakany mofo iray tsy misy masirasira sy mofo iray voaisy diloilo ary mofo manify iray ilay harona nisy ireo mofo tsy misy masirasira izay teo anatrehan’NY TOMPO ka napetrany teo ambonin’ny jaborany sy ny feny havanana. Dia napetrany teo amin’ny tanan’i Arona sy ireo zanany ireo rehetra ireo ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Nalain’i Mosesy tamin’ny tanany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondry ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Anjaran’i Mosesy avy amin’ny ondrilahy fanokanana io, araka izay nandidian’NY TOMPO azy. Dia nakan’i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara ka nafafiny tamin’i Arona sy ny fitafiany, ary tamin’ireo zanany sy ny fitafian’izy ireo koa; dia nanamasina an’i Arona sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa izy. Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ireo zanany: Ahandroy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny hena; eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao amin’ny haron’ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: I Arona sy ireo zanany no hihinana azy. Izay sisa amin’ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ny afo. Tsy hiala eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana ianareo, mandra-pahatapitra ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo. Tahaka ny efa natao androany no nandidian’NY TOMPO hatao mba hanaovana fanavotana ho anareo. Hitoetra eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana andro aman’alina ianareo ka hitandrina izay asain’NY TOMPO hotandremana dia tsy ho faty ianareo: Izany no nandidiana ahy. Dia notanterahin’i Arona sy ireo zanany izay rehetra nandidian’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy. Tamin’ny andro fahavalo dia nampiantso an’i Arona sy ireo zanany ary ny loholon’ny Israely i Mosesy. Dia hoy izy tamin’i Arona: Makà ombilahy kely hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy ho fanatitra dorana manontolo, izay samy tsy misy kilema ka atero eo anatrehan’NY TOMPO. Ary ilazao ny Zanak’Israely hoe: Makà osilahy hatao fanatitra fanadiovana, ombilahy kely sy zanak’ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana manontolo, omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan’NY TOMPO, ary fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaharo diloilo; fa anio no hisehoan’NY TOMPO aminareo. Dia nitondra izay nandidian’i Mosesy azy ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana izy; ary nanatona ny fiangonana manontolo ka nijanona teo anatrehan’NY TOMPO. Ary hoy i Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian’NY TOMPO, koa tanteraho izany, dia hiseho aminareo ny voninahitry NY TOMPO. Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Manatòna ny alitara ka atolory ny fanatitra fanadiovana avy aminao sy ny fanatitra dorana manontolo dia manaova fanavotana ho an’ny tenanao sy ho an’ny olona; atolory ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’NY TOMPO. Dia nanatona ny alitara i Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra fanadiovana izay an’ny tenany. Ary noentin’ireo zanak’i Arona ho eo aminy ny ra dia natsobok’i Arona tamin’ny ra ny fanondrony ka nahosony tamin’ireo tandroky ny alitara; ny ra sisa kosa dia naidiny teo am-pototry ny alitara. Ny jaborany sy ny voany roa ary ny ila atiny lehibe avy tamin’ny fanatitra fanadiovana dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy; nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby kosa ny hena sy ny hoditra. Namono ny fanatitra dorana manontolo i Arona ary natolotry ny zanany azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara. Ny fanatitra dorana manontolo voatetika, mbamin’ny lohany, dia natolotr’ireo azy ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara. Dia nosasany ny taovany sy ny tongony ka nodorany ho fofona niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ny alitara. Noentiny nanatona avy eo ny fanatitry ny olona; nalainy ny osilahy hatao fanatitra fanadiovana ny olona dia novonoiny ary natolony ho fanatitra fanadiovana, tahaka ilay teo aloha. Taorianan’izany dia nanolotra ny fanatitra dorana manontolo izy ka nataony araka ny fanao izany. Noentiny nanatona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ka nakany eran’ny tanana ila dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina. Novonoiny koa ny omby sy ny ondrilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ny olona; ireo zanak’i Arona dia nanolotra azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara izany. Natolony azy koa ny jaboran’ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ny jabora mandrakotra ny taovany ary ny voany roa sy ny ila atiny lehibe. Dia napetrany teo ambonin’ny tratran’ireo ny jaborany ary nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara; fa ny tratrany sy ny feny havanana kosa dia nataon’i Arona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO, araka izay nandidian’i Mosesy azy. Ary nanandratra ny tanany manandrify ny olona i Arona ka nitsodrano azy; dia nidina izy rehefa avy nanolotra ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana. Dia niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona, koa rehefa avy tao izy roa lahy dia nitsodrano ny olona. Ary ny voninahitry NY TOMPO niseho tamin’ny olona rehetra. Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’NY TOMPO ka nandevona ny fanatitra dorana manontolo sy ny jaborany teo ambonin’ny alitara. Nony hitan’ny olona rehetra izany dia nihoby izy ireo sady niankohoka. Ary i Nadaba sy i Abiho, zanak’i Arona, dia samy naka ny fitondrana afony avy ary nanisy afo tao anatiny sy ditin-kazo manitra teo amboniny, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO, izay tsy nandidiany azy. Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’NY TOMPO ka nahafaty azy roa lahy; maty teo anatrehan’NY TOMPO izy ireo. Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Izany ilay nolazain’NY TOMPO hoe: Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina ary eo anatrehan’ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina i Arona. Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby. Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan’ny toby, araka izay nolazain’i Mosesy. Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara, zanany lahy: Aza asaritaka ny volonareo na rovitina ny akanjonareo fandrao ho faty koa ianareo sady hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonana manontolo; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely rehetra, no hitomany noho ny afo izay narehitry NY TOMPO. Aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana fandrao maty ianareo satria eo aminareo ny diloilo fanosoran’NY TOMPO. Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy izy ireo. NY TOMPO niteny tamin’i Arona hoe: Aza misotro divay na toaka ianao na ny zanakao, raha miditra ao amin’ny tranolay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio, ary mba hampianaranareo ny Zanak’Israely ny didy rehetra izay nasain’NY TOMPO holazain’i Mosesy taminy. Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara zanany lahy sisa tavela: Raiso ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay sisa amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ka hano eo anilan’ny alitara izany nefa aza asiana masirasira satria zavatra tena masina izy io. Hohaninareo eo amin’izay fitoerana masina izany fa anjaranao sy ny zanakao avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Izany no nandidiany ahy. Ny tratrany natao fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra koa dia hohaninareo eo amin’izay toerana madio, dia ianao mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ny fanati-pihavanana aterin’ny Zanak’Israely izany. Ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra sy ny tratrany natao fanatitra asandratra mbamin’ny jaborany izay fanatitra levonina amin’ny afo dia hoentiny mba hatao fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo maharitra, araka izay nandidian’NY TOMPO. Dia nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra fanadiovana i Mosesy, kanjo efa voadoro izany ka tezitra tamin’ny zanak’i Arona sisa tavela izy, dia tamin’i Eleazara sy Itamara ka hoy izy: Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny fitoerana masina ny fanatitra fanadiovana? Fa zavatra tena masina izany ary efa nomeny anareo mba hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO. Indro, tsy nampidirina tao anatin’ny fitoerana masina ny rany, nefa tokony ho nohaninareo teo amin’ny fitoerana masina mihitsy izany, araka izay nandidiako. Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indro, androany no nanoloran’ny olona ny fanatitra fanadiovana azy sy ny fanatitra dorana manontolo avy taminy teo anatrehan’NY TOMPO; koa amin’izao zavatra manjo ahy izao, raha toa ka nihinana ny fanatitra fanadiovana aho androany, moa ho tsara teo imason’NY TOMPO va izany? Rehefa ren’i Mosesy izany dia nankasitrahany. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ireto avy no azonareo hanina amin’ny biby rehetra ambonin’ny tany: Izay biby rehetra mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika no ho fihinanareo. Kanefa amin’izay mandinika sy mivaky kitro dia ireto kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro: Maloto aminareo izy; ny hiràka, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro: Maloto aminareo izy; ny bitro, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy; ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy sady misaraka tsara ny kitrony nefa tsy mba mandinika: Maloto aminareo izy. Tsy ho fihinanareo ny henan’ireny ary tsy hokasihinareo akory ny fatiny: Zava-maloto aminareo ireny. Amin’izay rehetra ao anatin’ny rano dia ireto no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony, no ho fihinanareo; fa izay rehetra tsy misy vombony na kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’izay zavamananaina ao anaty rano, dia ho fahavetavetana aminareo. Eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny. Izay rehetra ao anaty rano ka tsy misy vombony na kirany dia ho zava-betaveta aminareo. Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ny vorona ka tsy ho fihinanareo: Ny vaotoro, ny voromahery sy ny ankoay, ny papango sy ny voromahery isan-karazany, ny goaika rehetra isan-karazany, ny aotirisy, ny tararaka, ny vorondriaka sy ny hitsikitsika isan-karazany, ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolo lehibe, ny ibisy sy ny sama, ny vaotoro madinika, ny vano sy ny vanobe isan-karazany ary ny takodara sy ny ramanavy. Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo; nefa kosa ho fihinanareo amin’ny zava-mandady manana elatra sady mandia tongotra efatra, izay manan-tongotra lava ambonin’ny faladiany hitsipihany eo amin’ny tany. Amin’ireny dia ireto no ho fihinanareo: Ny valala sy ny sopanga isan-karazany. Fa ny biby mandady hafa rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra ankoatra ireo kosa dia ho zava-betaveta aminareo. Ireo no ho zava-maloto aminareo; koa izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Hanasa ny fitafiany izay rehetra mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro. Ny biby rehetra izay mivaky kitro nefa tsy misaraka tsara ny kitrony sady tsy mandinika dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy. Izay rehetra mandeha amin’ny faladiany, amin’ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny. Hanasa ny fitafiany izay mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny. Amin’ny biby izay mandady na mikisaka amin’ny tany kosa dia ireto no haloto aminareo: Ny jaboady, ny totozy ary ny androngo isan-karazany, ny matahotrandro, ny sitry, ny tana, ary ny antsiantsy. Ireo no maloto aminareo amin’ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin’ireo dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo na fitafiana na hoditra na kitapo, izay mety ho fitaovana fampiasa, dia haloto ka tsy maintsy hatao anaty rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio. Momba ny vilany tany rehetra izay ilatsahan’ny fatin’ireo dia haloto izay ao anatiny na inona na inona; koa hovakinareo ny vilany. Ny hanina fihinana rehetra izay asiana rano dia haloto; ny fisotro rehetra izay sotroina koa dia haloto, na fitaovana inona na fitaovana inona no nisy azy. Haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanendasana na vilany mirakotra, ka hopotipotehina; fa maloto ireny ary ho zava-maloto aminareo. Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto. Raha misy fatin’ireo latsaka amin’ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany. Fa raha misy voan-javatra nalona tamin’ny rano ka ilatsahan’ny fatiny dia ho zava-maloto aminareo izany. Raha misy maty izay biby fihinanareo dia haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatiny. Hanasa ny fitafiany izay mihinana amin’ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan’ny andro. Ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy azo hanina. Izay rehetra mandady amin’ny kibony sy izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, izany hoe ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia tsy azo hanina fa zava-betaveta ireny. Aza mametaveta ny tenanareo amin’izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy mba tsy hahaloto anareo. Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, koa manamasìna ny tenanareo dia ho masina ianareo satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’izay zavatra mandady na mikisaka amin’ny tany. Fa Izaho no TOMPO izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo ka ho masina ianareo satria masina Aho. Izany no lalàna momba ny biby sy ny vorona, ny zavamananaina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, mba hanavahana ny maloto sy ny madio ary ny biby azo hanina sy tsy azo hanina. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy vehivavy bevohoka ka tera-dahy dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ny fadimbolany no hahalotoany. Amin’ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza. Telo amby telopolo andro no hitoeran-dRavehivavy mba hadio amin’ny rany izy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin’ny fitoerana masina mandra-pahatapitra ny andro fidiovany. Fa raha tera-bavy kosa izy dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ny fahalotoany amin’ny fadimbolany ihany koa, ary enina amby enimpolo andro no hitoerany mba hadio amin’ny rany izy. Rehefa tapitra ny andro fidiovany, na lahy na vavy no naterany, dia zanak’ondry iray izay iray taona, no halainy hatao fanatitra dorana manontolo ary voromailala, na domohina, hatao fanatitra fanadiovana, ka hoentiny eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ho eo amin’ny mpisorona ireo. Ary hanatitra izany eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona ka hanao fanavotana ho an-dRavehivavy dia hadio tamin’ny fandehanan’ny rany izy. Izany no lalàna ny amin’ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy. Raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ondry dia hitondra domohina roa na voromailala roa izy; ny iray dia hatao fanatitra dorana manontolo ary ny iray kosa dia hatao fanatitra fanadiovana; dia hanao fanavotana ho an-dRavehivavy ny mpisorona ka hadio izy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Raha misy mamontsina eo amin’ny hoditry ny nofon’ny olona, na misy manakompery na misy mifaritra mangirana ka eo amin’ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia hoentina ho eo amin’i Arona mpisorona ilay olona na ho eo amin’iray amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona; dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo. Raha niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina dia habokana izany; hozahan’ny mpisorona izy dia hambarany fa maloto. Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin’ny hoditry ny nofony nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy ary tsy niova ho fotsy ny volony dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny hafitoana ilay marary. Hozahan’ny mpisorona izany amin’ny andro fahafito; koa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy miitatra eo amin’ny hoditra dia hatokany toerana hafitoana indray izy. Hozahan’ny mpisorona indray izany amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy miitatra eo amin’ny hoditra dia hambarany fa madio izy. Manakompery ihany izany ka hanasa ny fitafiany izy dia hadio. Fa raha niitatra teo amin’ny hodiny kosa ny takompery taorianan’ny nisehoany tamin’ny mpisorona momba ny fanadiovana azy dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy. Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa miitatra eo amin’ny hoditra ny takompery dia hambarany fa maloto izy. Habokana izany. Raha misy habokana amin’ny olona dia hoentina eo amin’ny mpisorona izy. Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin’ny hoditra sady efa niova ho fotsy ny volo ary misy nofo hita miseho eo amin’ny mamontsina dia habokana efa ela teo amin’ny hoditry ny nofony izany ka hambaran’ny mpisorona fa maloto izy. Tsy hatokany toerana akory izy fa efa maloto. Raha mipoipoitra eo amin’ny hoditra ny habokana ary manenika ny hoditr’ilay marary hatramin’ny lohany ka hatramin’ny tongony, na aiza na aiza zahan’ny mpisorona, dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa manenika ny tenany manontolo ny habokana dia hambarany fa madio ilay marary; satria efa niova ho fotsy manontolo izy ka madio. Fa raha misy nofo miseho eo aminy dia haloto izy. Hozahan’ny mpisorona ny nofo miseho ary hambarany fa maloto izy satria maloto ny nofo miseho ka habokana izany. Raha miova ilay nofo miseho ka tonga fotsy dia hankeo amin’ny mpisorona izy; hozahan’ny mpisorona ilay marary, koa raha hitany fa tonga fotsy ny aretina dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy satria efa madio. Raha misy fery sitrana eo amin’ny hoditra ary misy fotsy mamontsina eo amin’ny holatry ny fery na misy hola-mena dia hiseho amin’ny mpisorona izy. Hozahan’ny mpisorona io, koa raha lalina noho ny hoditra no fijeriny azy ary efa niova ho fotsy ny volony dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy; habokana efa mipoitra eo amin’ny fery izany. Hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo ary tsy lalina noho ny hoditra izany sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy. Raha niitatra teo amin’ny hoditra izany dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy satria habokana izany. Fa raha tsy mitombo ny mifaritra mangirana, ka tsy miitatra, dia holatry ny fery ihany ka hataon’ny mpisorona hoe madio. Raha misy main’ny afo eo amin’ny hoditra ka hita eo amin’ny may ny mifaritra fotsy mangirana sady mitera-mena, dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ny toeran’ny mifaritra mangirana ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy dia habokana efa mipoitra eo amin’ny may izany ka hambaran’ny mpisorona fa maloto. Habokana izany. Fa hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ny mifaritra mangirana ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy. Hozahan’ny mpisorona indray izany amin’ny andro fahafito, koa raha niitatra teo amin’ny hoditra io dia hambarany fa maloto. Habokana izany. Raha tsy mitombo ny mifaritra fotsy mangirana ary tsy niitatra teo amin’ny hoditra fa matromatroka ihany nefa mamontsina eo amin’ny may dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy satria holatry ny may ihany io. Raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin’ny lohany na eo amin’ny saokany dia hozahan’ny mpisorona ny aretina, koa raha lalina noho ny hoditra ny fijeriny azy ary misy volo madinika somary vonivony eo dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy. Be hatina izany: Habokana eo amin’ny loha na eo amin’ny saoka. Fa raha zahan’ny mpisorona ny aretina ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana mandritra ny hafitoana ilay olona be hatina. Hozahan’ny mpisorona ny aretina amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa tsy niitatra ny aretina ary tsy misy volo somary vonivony eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hiharatra izy fa tsy hoharatany ny misy ny aretina. Hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny hafitoana indray ilay olona be hatina. Hozahan’ny mpisorona ilay be hatina amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa tsy niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy. Hanasa ny fitafiany izy dia hadio. Fa raha niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, rehefa nambarany fa madio izy, dia hozahan’ny mpisorona indray izy, koa raha hitany fa niitatra teo amin’ny hoditra ny aretina dia tsy mila mitady volo somary vonivony intsony ny mpisorona. Efa maloto izy. Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina ka misy volo mainty maniry eo dia sitrana ilay be hatina ka madio izy ary hambaran’ny mpisorona fa madio. Raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin’ny hodiny, misy mifaritra fotsy, dia hozahan’ny mpisorona, koa raha hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin’ny hodiny mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mipentimpentina fotsy mipoitra eo amin’ny hoditra izany: Madio izy. Ny lehilahy raha mihintsam-bolon-doha dia sola ihany izy ka madio. Raha mihintsana ny volo eo ambonin’ny handriny dia mazava ray ihany izy ka madio. Fa raha misy aretina teramena somary fotsy, na eo amin’ny loha sola na eo amin’ny handrina, dia habokana mipoitra amin’ny loha sola, na amin’ny mazava ray izany. Hozahan’ny mpisorona izy, koa raha hitany fa teramena somary fotsy no famontsin’ny aretina eo amin’ny loha sola na eo amin’ny handrina, tahaka ny fisehon’ny habokana eo amin’ny hoditra, dia lehilahy boka izy ka maloto; hambaran’ny mpisorona fa maloto tokoa izy; eo amin’ny lohany ny aretiny. Lamba rovitra no ho fitafian’ny olona izay efa tena boka ary hisaritaka ny volony dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e! Amin’ny andro rehetra izay aharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: Eny, maloto izy ka hitoetra mitokana ary eny ivelan’ny toby no toerana hipetrahany. Amin’ny fitafiana izay misy bobongolo, na fitafiana volon’ondry na fitafiana vita amin’ny lamba rongony, na amin’ny tenony izany na amin’ny fahany, na lamba rongony izany na volon’ondry na amin’ny hoditra na izay zavatra vita tamin’ny hoditra; raha maitsomaitso na menamena eo amin’ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ny hoditra na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany, na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia toy ny habokana izany ka haseho amin’ny mpisorona. Hozahan’ny mpisorona ny aretina ka hatokany toerana hafitoana ilay zavatra misy azy. Hozahany indray ny aretina amin’ny andro fahafito, koa raha niitatra teo amin’ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ny tenony na ny fahany na teo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia toy ny habokana izany ka maloto. Dia hodorana ny fitafiana, na ny tenony na ny fahany na volon’ondry na lamba rongony na izay zavatra vita tamin’ny hoditra izay misy ny aretina; fa toy ny habokana mafy izany ka hodorana amin’ny afo. Rehefa mizaha azy ny mpisorona ka hitany fa tsy niitatra teo amin’ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ny tenony na teo amin’ny fahany na teo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia hasain’ny mpisorona hosasana izay misy izany ary hatokany toerana mandritra ny hafitoana indray. Rehefa voasasa izany dia hozahan’ny mpisorona indray ny aretina; koa raha hitany fa tsy niova endrika ny aretina, na dia tsy niitatra aza, dia maloto izy ka hodorana amin’ny afo. Tena aretina izany, na amin’ny atiny, na amin’ny ivelany. Fa raha mizaha azy ny mpisorona ka hitany fa matromatroka ny aretina rehefa voasasa izy dia hesoriny ho afaka amin’ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ny hoditra na ho afaka amin’ny tenony na ny fahany. Raha mbola misy miseho eo amin’ny fitafiana indray izany, na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo izay misy azy. Ary ny fitafiana, na ny tenony na ny fahany na izay zavatra vita tamin’ny hoditra, izay hosasana, raha afaka taminy ny aretina dia hosasana fanindroany ireo ka hadio. Izany no lalàna ny amin’ny bobongolo eo amin’ny fitafiana volon’ondry na lamba rongony, na eo amin’ny tenony na ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, hanaovana azy hoe madio na hanaovana azy hoe maloto. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Izao no lalàna ny amin’ny boka amin’ny andro fanadiovana azy: Hoentina any amin’ny mpisorona izy; dia ho eny ivelan’ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; ary raha hitany fa sitrana amin’ny habokany ny boka dia vorona roa velona sady madio miaraka amin’ny hazo sedera sy lamba jaky ary rantsana hisopa no hasain’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina, koa ny vorona iray dia hasainy hovonoina eo ambonin’ny vilany tany izay misy rano, eo ambonin’ny rano mandeha. Halainy ny vorona velona, ny hazo sedera, ny lamba jaky ary ny rantsana hisopa miaraka amin’ilay vorona velona, dia hatsobony ao amin’ny ran’ny vorona izay novonoina teo ambonin’ny rano mandeha. Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ny habokany ka hambarany fa madio izy ary halefany any an-tsaha ilay vorona velona. Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volony rehetra ary handro amin’ny rano ka hadio; ary rehefa afaka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy hafitoana. Amin’ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany izany na ny volombavany na ny volomasony; eny ny volony rehetra dia hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano dia hadio. Ary amin’ny andro fahavalo dia haka zanak’ondrilahy roa tsy misy kilema izy sy zanak’ondrivavy iray izay iray taona, tsy misy kilema, miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary diloilo iray loga. Ary ny mpisorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana; dia haka ny zanak’ondrilahy iray ny mpisorona ka hanolotra azy ho fanati-panonerana miaraka amin’ny diloilo iray loga dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO izany. Ary hamono ilay zanak’ondrilahy eo amin’ny famonoana ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo izy, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa ho an’ny mpisorona ny fanatitra fanadiovana, toy ny fanati-panonerana. Zavatra tena masina izany. Dia hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana ka hohosorany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana; ary hakan’ny mpisorona ny diloilo iray loga ka haidiny eo amin’ny felatanany havia; dia hatsoboky ny mpisorona ao amin’ny diloilo izay eo amin’ny felatanany havia ny fanondrony havanana ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO izany; ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanosoran’ny mpisorona ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana eo amin’ilay nasiana ny ran’ny fanati-panonerana; ary ny diloilo mbola sisa eo am-pelatanan’ny mpisorona dia hataony amin’ny lohan’ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona. Ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an’ilay hodiovina hahafahany amin’ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany dia hamono ny fanatitra dorana manontolo izy; ary ny mpisorona dia hanolotra ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry eo ambonin’ny alitara ka hanao fanavotana ho an’ilay olona hodiovina dia hadio izy. Fa raha mahantra kosa ilay boka ka tsy tratry ny ananany izany dia hitondra zanak’ondry iray hatao fanati-panonerana asandratra izy hanaovana fanavotana ho azy; koba tsara toto ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy diloilo iray loga ary domohina roa na voromailala roa, araka izay tratry ny ananany, koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray dia hatao fanatitra dorana manontolo. Dia hoentiny eo amin’ny mpisorona ireo amin’ny andro fahavalo amin’ny fanadiovana azy, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, eo anatrehan’NY TOMPO. Horaisin’ny mpisorona ny zanak’ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana ary hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana ka hohosorany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana. Hakan’ny mpisorona ny diloilo ka hararany eo amin’ny felatanany havia; dia hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony havanana ny diloilo izay eo amin’ny felatanany havia ka hafafiny impito eo anatrehan’NY TOMPO; ary hohosoran’ny mpisorona amin’ny diloilo izay eo an-tanany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana sy ny ankiben-tongony havanana, eo amin’ilay toerana nasiana ny ran’ny fanati-panonerana; ary ny diloilo sisa eo am-pelatanan’ny mpisorona dia hataony amin’ny lohan’ilay hodiovina mba hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO. Hateriny koa ny domohina iray, na ny voromailala iray, araka izay tratry ny ananany, koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana, ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo, miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary hanao fanavotana ho an’ilay hodiovina eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona. Izany no lalàna ny amin’ny boka raha tsy tratry ny ananany izay fanatitra hanadiovana azy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, raha misy trano hasiako lomotra amin’ny tany fanananareo, dia handeha ny tompon-trano hilaza amin’ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin’ny tranoko. Dia hasain’ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-piaviny hizaha ny aretina mba tsy hahalotoan’ny zavatra rehetra ao an-trano. Rehefa vita izany dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano. Hozahany ny aretina, koa raha hitany fa mihady eo amin’ny rindrin’ny trano izany ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin’ny rindrin-trano no fijeriny azy dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hidìna tsy hivoha hafitoana ny trano. Amin’ny andro fahafito dia hiverina ny mpisorona ka hozahany ny aretina, ary raha hitany fa niitatra teo amin’ny rindrin’ny trano izany dia hasain’ny mpisorona hesorina ireo vato izay misy ny aretina ka hariana amin’izay toerana maloto any ivelan’ny tanàna. Hasainy ho kikisana koa ny aty trano rehetra ary ny kikiny dia hariana amin’izay toerana maloto any ivelan’ny tanàna. Dia haka vato hafa ny olona hasolo ny vato teo; haka feta koa izy ka handalotra ny trano. Fa raha toa ka miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin’ny trano rehefa nesorina ny vato sady voakiky sy voalalotra ny trano dia ho tonga ny mpisorona hizaha, koa raha hitany fa niitatra teo amin’ny trano ny aretina dia tena toy ny habokana eo amin’ny trano izany ka maloto. Dia horavana ny trano, izany hoe ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra ka hoentina any amin’izay toerana maloto any ivelan’ny tanàna. Izay miditra ao amin’izany trano izany amin’ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan’ny andro; izay mandry ao koa dia hanasa ny fitafiany ary izay misakafo ao dia hanasa ny fitafiany. Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy ary hitany fa tsy niitatra teo amin’ny trano ny aretina rehefa voalalotra ny trano dia hambaran’ny mpisorona fa madio ny trano satria efa afaka ny aretina. Dia haka vorona roa sy hazo sedera ary lamba jaky sy rantsana hisopa izy hanadiovana ny trano. Hovonoiny eo ambonin’ny vilany tany eo ambonin’ny rano mandeha ilay vorona iray; horaisiny ny hazo sedera sy ny rantsana hisopa ary ny lamba jaky sy ny vorona velona ka hatsobony ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina sy eo amin’ny rano nalaina tamin’ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito izany. Dia hanadio ny trano amin’ny ran’ny vorona sy amin’ny rano mandeha sy amin’ny vorona velona sy amin’ny hazo sedera sy amin’ny rantsana hisopa ary amin’ny lamba jaky izy. Halefany any an-tsaha, any ivelan’ny tanàna, ny vorona velona; ary hanao fanavotana ho an’ny trano izy ka hadio izany. Izany no lalàna ny amin’ny habokana rehetra sy ny be hatina, ary ny amin’ny bobongolo amin’ny fitafiana sy amin’ny trano ary ny amin’ny mamontsina sy ny manakompery ary ny mifaritra fotsy mangirana, mba hampianarana ny hoe amin’ny fotoana toy inona no maloto ary amin’ny fotoana toy inona no madio. Izany no lalàna ny amin’ny habokana. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany. Izao no ho fahalotoany raha marary mitsika izy, na mandeha ny fitsihany na tsy mandeha, dia samy fahalotoana izany. Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ny marary mitsika ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany. Izay rehetra mikasika ny fandrianany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Izay mipetraka amin’ny zavatra izay efa nipetrahan’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Izay mikasika ny tenan’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Raha misy olona madio voaroran’ny marary mitsika dia hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Haloto ny lasely rehetra izay nitaingenan’ny marary mitsika. Izay rehetra mikasika ny zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Izay rehetra voakasiky ny marary mitsika kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tanany tamin’ny rano dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ny marary mitsika dia hiandry hafitoana izy ho amin’ny fanadiovana azy ary hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano mandeha izy dia hadio. Amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na voromailala roa izy ary hankeo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka hatolony amin’ny mpisorona ireo. Dia haterin’ny mpisorona ireo, ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny fitsihany. Raha miala amin’ny lehilahy ny tsirinainy dia hanasa ny tenany rehetra amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro; Hosasana amin’ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra izay nilatsahan’ny tsirinainy; haloto mandra-paharivan’ny andro ireo. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy koa dia samy handro amin’ny rano izy roa ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka mandeha ra tsy mijanona dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Ny zavatra rehetra izay andriany amin’ny andro fahalotoany koa dia haloto ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa. Hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano izay rehetra mikasika ny fandrianany ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany koa dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Raha ao amin’ny fandrianany izany na eo amin’izay nipetrahany izay voakasik’izany dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy ary mankeo aminy ny ra amin’ny fadimbolany dia haloto hafitoana izy ary izay rehetra andriany dia haloto koa. Raha misy vehivavy marary mitsi-dra ela, ankoatra ny andro fahalotoany amin’ny fadimbolany, na raha misy mararin’ny fadimbolana ka mandeha ra mihoatra noho ny fiaviny mahazatra dia haloto izy amin’ny andron’ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ny andro fahalotoany ihany. Izay fandriana andriany mandritra ny andron’ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana maloto noho ny fadimbolany ary izay rehetra ipetrahany koa dia haloto tahaka ny fahalotoany amin’ny fadimbolany. Izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto ary hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano izy sady haloto mandra-paharivan’ny andro. Rehefa sitrana amin’ny faharariany Ravehivavy dia hiandry hafitoana izy ka rehefa afaka izany vao hadio izy. Amin’ny andro fahavalo dia haka domohina roa na voromailala roa izy ka hitondra ireo ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Dia haterin’ny mpisorona ny iray hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho an’i Ravehivavy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. Koa hosarahinareo amin’ny fahalotoany ny Zanak’Israely mba tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo anivony, koa tsy hahafaty azy ny fahalotoany. Izany no lalàna ny amin’ny marary mitsika sy ny amin’izay ialan’ny tsirinainy ka voaloto amin’izany, ny amin’ny mararin’ny fadimbolany, ny amin’ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin’izay mandry amin’ny vehivavy maloto. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak’i Arona, tamin’izy ireo nanatona teo anatrehan’NY TOMPO ka maty. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ny fitoerana masina izy, dia ao anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vata misy ny Fanekena mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana Aho. Ary izao no hoentin’i Arona raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana manontolo. Akanjo masina lava vita amin’ny lamba rongony no hiakanjoany, kalisaonina vita amin’ny lamba rongony no hataony manolo-koditra, fehikibo vita amin’ny lamba rongony no hifehezany, fehiloha lamba rongony no hisatrohany: Fitafiana masina ireo ka handro amin’ny rano izy vao hiakanjo azy. Ary ny fiangonan’ny Zanak’Israely dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra fanadiovana sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana manontolo. Dia hampanatonin’i Arona ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany ka hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy. Ary halainy ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Dia hanaovan’i Arona antsapaka ny osilahy roa: Ny voatsapaka iray dia ho an’NY TOMPO ary ny voatsapaka iray kosa dia ho an’i Azazela. Ary hampanatonin’i Arona ny osilahy izay niharan’ny antsapaka ho an’NY TOMPO ka hataony fanatitra fanadiovana. Fa ny osilahy izay niharan’ny antsapaka ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’NY TOMPO hanaovana fanavotana eo amboniny mba handefasana azy hankany an-tany efitra ho an’i Azazela. Ary hampanatonin’i Arona ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany ka hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy; hovonoiny ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny tenany. Dia haka vainafo eran’ny fitondrana afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ditin-kazo manitra voatorotoro madinika eran’ny tanan-droa ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba izany. Hataony eo amin’ny afo eo anatrehan’NY TOMPO ny ditin-kazo ka hosaronan’ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny Vavolombelona mba tsy hahafaty azy. Dia hakany ny ran’ny vantotra ombilahy ka hafafin’ny fanondrony amin’ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin’ny lafiny atsinanana ary ny eo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana dia hofafazany ny ra impito amin’ny fanondrony koa. Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra fanadiovana ho an’ny olona ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba ny rany ary hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ny vantotra ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany. Ary hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan’ny Zanak’Israely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; toy izany koa no hataony ho an’ny tranolay fihaonana izay mitoetra eo anivony, eo afovoan’ny fahalotoany. Aza avela hisy olona ao amin’ny tranolay fihaonana raha miditra hanao fanavotana ao amin’ny fitoerana masina i Arona, mandra-pialany avy nanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo. Fa handeha ho eo amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hanao fanavotana ho an’ny alitara. Hakany ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny ran’ny osilahy ka hahosony amin’ireo tandroky ny alitara eo amin’ny manodidina. Dia hofafazany ra impito amin’ny fanondrony izany ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ny fahalotoan’ny Zanak’Israely. Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an’ny fitoerana masina sy ny tranolay fihaonana ary ny alitara dia hampanatoniny ilay osilahy velona. Dia hapetrak’i Arona amin’ny lohan’ny osilahy velona ny tanany roa ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’Israely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; ary hametraka izany eo amin’ny lohan’ilay osilahy izy ka hampandeha azy ho any an-tany efitra hoentin’ny lehilahy iray izay voatendry ho amin’izany. Dia hoentin’ilay osilahy ho any an-tany tsy hay andehanana ny helok’izy rehetra. Halefany any an-tany efitra ilay osilahy. Dia hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana i Arona, hanala ireo fitafiany vita amin’ny lamba rongony izay niakanjoany raha niditra ao amin’ny fitoerana masina izy ka havelany ao izany. Dia handro amin’ny rano eo amin’ny fitoerana masina iray izy ka hitafy ny fitafiany, dia handeha izy ka hanatitra ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny olona ary hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona izy. Ny jaboran’ny fanatitra fanadiovana dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara. Ary ilay mandefa ny osilahy ho fanesorana tanteraka ny ota dia hanasa ny fitafiany ka handro amin’ny rano, izay vao mahazo mankeo an-toby indray. Ny vantotra ombilahy natao fanatitra fanadiovana sy ny osilahy natao fanatitra fanadiovana, izay efa nampidirina tao amin’ny fitoerana masina ny rany mba hanaovana fanavotana, dia hoentina mivoaka ho eny ivelan’ny toby ka hodorana amin’ny afo ny hodiny sy ny nofony ary ny tain-drorohany. Ary izay mandoro ireo dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano, izay vao mahazo mankeo an-toby indray. Izao no ho lalàna maharitra ho anareo: Amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito dia aoka hifady hanina ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany na ny vahiny izay monina eo aminareo. Fa amin’izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’NY TOMPO ianareo. Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany ka hifady hanina ianareo: Ho lalàna maharitra izany. Ny mpisorona izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy dia hanao fanavotana; hitafy ny fitafiana vita amin’ny lamba rongony izy, dia ny fitafiana masina. Hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy sy ho an’ny tranolay fihaonana ary ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ny fiangonana. Ho lalàna maharitra ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an’ny Zanak’Israely indray mandeha isan-taona hahafahany amin’ny fahotany rehetra. Dia nataon’i Arona araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy izany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany ary ny Zanak’Israely rehetra hoe: Izao no didy nomen’NY TOMPO: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely no mamono omby na zanak’ondry na osy, na eo an-toby na any ivelan’ny toby, ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO, dia ho meloka noho ny ra nalatsany io olona io ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy. Araka izany dia hoentin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ho amin’ny mpisorona ny zavatra vonoiny ho fanatitra izay famonony tany an-tsaha; dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO izany. Ary ny mpisorona dia hamafy ny ra amin’ny alitaran’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, dia handoro ny jaborany ka ho fofona manitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany. Tsy hanolotra intsony ny fanatiny ho an’ny Seìrima izay nijangajangany izy. Ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby izany. Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo aminareo no manolotra fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa alatsa-dra ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hanatitra azy ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. Ary na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo aminareo, no mihinan-dra, na ra inona na ra inona dia ny Tavako no hifanandrina amin’ilay olona mihinan-dra ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy. Fa ny ain’ny nofo dia ao amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara mba hanaovana fanavotana ho anareo satria ny ra, amin’ny aina, no manao fanavotana. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe: Aza misy mihinan-dra ianareo na ny vahiny izay monina eo aminareo. Na iza na iza amin’ny Zanak’Israely na amin’ny vahiny eo aminy no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia hararany amin’ny tany ny rany ka hototofany. Fa ny amin’ny ain’ny zavamananaina rehetra dia ny rany no ainy, koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe: Aza mihinana hena mbola misy ra fa ny rany no ain’ny zava-mananaina rehetra, koa izay rehetra mihinana azy dia haringana. Ny olona rehetra, na tompon-tany na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby, dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio. Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy mandro izy dia ho meloka. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Aza manao ny fanaon’ny tany Ejipta izay nonenanareo; aza manao ny fanaon’ny tany Kanana izay ampidirako anareo ary aza manaraka ny fombany. Ny fitsipiko no hotanterahinareo ary ny didiko no hotandremanareo, harahinareo izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona dia ho velona amin’izany izy. Izaho no TOMPO. Aoka tsy hisy handry amin’izay havany akaiky ianareo: Izaho no TOMPO. Aza mandry amin’izay nandrian’ny rainao fa reninao izy koa aza mandry aminy. Aza mandry amin’ny renikelinao fa nandrian’ny rainao izy. Aza mandry amin’ny anabavinao, izay zanaky ny rainao na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza mandry aminy. Aza mandry amin’ny zanakavavin’ny zanakao lahy na ny zanakavavin’ny zanakao vavy; fa avy aminao no niavian’izy roa. Aza mandry amin’ny zanakavavin’ny renikelinao izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy. Aza mandry amin’ny anabavin-drainao fa havan-drainao akaiky izy. Aza mandry amin’ny rahavavin-dreninao fa havan-dreninao akaiky izy. Aza mandry amin’izay nandrian’ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ny rahalahin-drainao izy. Aza mandry amin’ny vinantovavinao fa vadin’ny zanakao lahy izy, koa aza mandry aminy. Aza mandry amin’ny vadin’ny rahalahinao fa nandrian’ny rahalahinao izy. Aza mandry amin’ny vehivavy sy ny zanany vavy; aza maka ny zanakavavin’ny zanany lahy na ny zanakavavin’ny zanany vavy, handry aminy; havany akaiky ireo ka fahavetavetana izany. Aza mampakatra vehivavy ho rafin’ny rahavaviny izay mbola velona. Aza mila vehivavy mararin’ny fadimbolany handry aminy. Aza mandry amin’ny vadin’ny namanao, handoto ny tenanao aminy. Aza misy arosonao ho sorona ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO. Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. Aza mandry amin’ny biby handoto ny tenanao aminy; aoka tsy hisy vehivavy hanaiky handrian’ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra izany akory fa ny Jentilisa izay efa horoahiko eo anoloanareo no nandoto ny tenany tamin’ireo rehetra ireo. Maloto ny tany noho izany ka hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina ao. Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo koa aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany na ny vahiny izay monina eo aminareo; fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ny tompon-tany izay talohanareo ka naloto ny tany, mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo. Fa izay rehetra manatanteraka izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. Koa dia tandremo izay asaiko tandremana mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo. Aza mandoto ny tenanareo amin’ireo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny fiangonana manontolo, dia ny Zanak’Israely hoe: Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, TOMPO Andriamanitrareo. Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo ary tandremo ny Sabatako: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Aza mivily hanaraka ireo andriamanitra tsy izy ary aza manao andriamanitra amin’ny vy voarendrika ho anareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO ianareo dia ataovy amin’izay hankasitrahana anareo izany. Amin’izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin’ny ampitson’iny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo dia hodorana amin’ny afo. Ary raha hanina amin’ny andro fahatelo izany dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana, fa izay mihinana azy io dia ho meloka satria nanamavo ny zava-masin’NY TOMPO izy ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izany olona izany. Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo dia aza jinjaina avokoa ny eny an-tsisiny; aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao. Aza otazana avokoa ny voaloboka eo amin’ny sahanao ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ny sahanao. Avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. Aza manao fianianana mandainga amin’ny anarako ka hanamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO. Aza maka an-keriny ny zavatry ny namanao na mampahory azy; aoka tsy hitoetra ao aminao mandritra ny alina ny karaman’izay nokaramainao. Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan’ny jamba; fa matahora an’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO. Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana; aza miandany foana amin’ny mahantra, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. Aza mandehandeha manaratsy ny mpiaramonina aminao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no TOMPO. Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao; anaro mafy ny mpiray firenena aminao mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ny zanaky ny firenenao fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no TOMPO. Tandremo ny fitsipiko: Aza avela hiray amin’ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa tsy mitovy karazana ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ny zavatra roa samihafa karazana. Raha misy mandry amin’ny andevovavy izay efa voafofon’olona ho vadiny ka tsy voaavotra na voavotsotra ho olona afaka Ravehivavy dia hofaizina izy roa nefa tsy hovonoina satria tsy olona afaka Ravehivavy. Fa hoentin-dRalehilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy amin’ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. Rehefa tonga any amin’ilay tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa dia hevero ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy azo hanina. Amin’ny taona fahefatra kosa dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana NY TOMPO. Amin’ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo mba hitomboan’ny fahavokarany ho anareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Aza mihinana zavatra misy ra; aza manao sikidy na manandro. Aza manasola ny fihirifanareo. Aza manaratra ny sisin’ny volombavanao. Aza mitetika ny tenanareo ho an’ny maty na manao tombo-kavatsa amin’ny tenanareo. Izaho no TOMPO. Aza mampijangajanga ny zanakao vavy ka hampaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. Tandremo ny Sabatako ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no TOMPO. Aza mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na mitady saina amin’ny mpanandro hampahaloto anareo aminy: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Mitsangàna ianao raha eo anatrehan’ny fotsy volo; manajà ny zokiolona. Matahora an’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO. Raha misy mivahiny aminareo eo amin’ny taninareo dia aza mampahory azy. Ny vahiny izay monina eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao izy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Aza manao izay tsy marina, na amin’ny fitsarana na amin’ny fandrefesana na amin’ny fandanjana na amin’ny famarana. Mizana marina, vato mizana marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra ka araho izany: Izaho no TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza, na amin’ny Zanak’Israely na amin’ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho sorona ho an’i Moloka dia hovonoina ho faty; ny vahoaka eo an-toerana no hitora-bato azy. Hifanandrina amin’izany olona izany ny tavako ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy satria nisy natolony ho an’i Moloka ny zanany mba handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina. Fa raha mody tsy mahita io olona manolotra ny zanany ho an’i Moloka io ny vahoaka mba tsy hahafaty azy dia hifanandrina amin’io olona io sy ny ankohonany ny tavako ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka. Ny olona izay mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na izay mpanandro ka hijangajanga hanaraka azy dia hifanandrina aminy ny tavako ka hesoriko tsy ho eo amin’ny fireneny izy. Koa hamasino ny tenanareo ary aoka ho masina ianareo; fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Tandremo ny didiko ka araho izany: Izaho no TOMPO izay manamasina anareo. Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty; efa nanozona ny rainy na ny reniny izy, koa ny rany dia ho aminy ihany. Izay lehilahy mijangajanga amin’ny vadin’olona, dia izay mijangajanga amin’ny vadin’ny namany dia hovonoina ho faty, na izy lehilahy nijangajanga izany na ilay vehivavy nijangajangany. Ny olona izay mandry amin’ny vadin-drainy dia efa nandry tamin’izay nandrian’ny rainy; hovonoina tokoa izy roa ary ny ran’izy ireo dia ho aminy ihany. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vinantovaviny dia hovonoina ho faty izy roa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy ireo; koa ny rany dia ho aminy ihany. Raha misy lehilahy mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hovonoina ho faty izy ireo; ny rany dia ho aminy ihany. Raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ny afo izy telo mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. Raha misy lehilahy mandry amin’ny biby dia hovonoina ho faty izy; ary ilay biby koa dia hovonoinareo. Raha misy vehivavy manatona handry amin’ny biby dia hovonoina izy sy ilay biby; hovonoina ho faty izy roa; ny rany dia ho aminy ihany. Raha misy lehilahy manambady ny anabaviny na zanakavavin’ny rainy na zanakavavin’ny reniny ka mahita ny fitanjahany ary Ravehivavy koa dia mahita ny fitanjahany dia zava-dratsy izany ka hesorina eo imason’ny fireneny izy roa; fa nandry tamin’ny anabaviny Ralehilahy ka meloka. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolany ary Ravehivavy nampiseho ny fitanjahany ka nampisokatra ny fandehanan’ny rany dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy roa. Aza mandry amin’ny rahavavin-dreninao na amin’ny anabavin-drainao; fa mandry amin’ny havany akaiky izay olona manao izany ka ho meloka. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin’ny rahalahin-drainy dia efa nandry tamin’izay nandrian’ny rahalahin-drainy izy; ho meloka izy roa ary ho faty tsy niteraka. Raha misy lehilahy maka ny vadin’ny rahalahiny dia fahalotoana izany; nandry tamin’izay nandrian’ny rahalahiny izy ka tsy hiteraka izy roa. Tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra ka araho mba tsy haloan’ny tany izay itondrako anareo honenanareo ianareo. Aza manaraka ny fanaon’ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nahavita izany rehetra izany izy ka halako. Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Handova ny taniny ianareo satria Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa. Avaho ny biby madio sy ny maloto ary ny vorona maloto sy ny madio; aza mametaveta ny fanahinareo amin’ny biby na amin’ny vorona na amin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. Aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho TOMPO; ary efa navahako tamin’ny firenena hafa ianareo mba ho Ahy. Ary na lehilahy na vehivavy no miantso ny fanahin’ny maty na ny mpanandro dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy ny olona ary ny rany dia ho aminy ihany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona hoe: Aoka ny mpisorona tsy handoto ny tenany amin’izay maty amin’ny mpiray firenena aminy, afa-tsy amin’ny havany akaiky, dia ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy ary ny rahalahiny; ary amin’ny fatin’ny anabaviny mbola virijiny izay havany akaiky satria mbola tsy manambady, no ahazoany mandoto ny tenany. Tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy satria lehibe eo amin’ny fireneny. Tsy hanasola ny tampon-dohany izy na hanaratra ny volombavany na hitetika ny tenany. Ho masina ho an’Andriamaniny izy ireo ka tsy hanamavo ny anaran’Andriamaniny; fa mpanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy, dia ny hanin’Andriamaniny, ka ho masina izy. Aoka izy tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga na izay voaloto, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ny lahy; fa masina ho an’Andriamaniny ny mpisorona. Dia hamasino izy fa ny hanin’Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy fa Izaho TOMPO dia masina ka manamasina anareo. Raha ny zanakavavin’ny mpisorona no mandoto ny tenany amin’ny fijangajangana dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ny afo. Ary ny Mpisoronabe izay nalaina tamin’ny rahalahiny ka nandrarahana ny diloilo fanosorana ny lohany sady natokana mba hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany. Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy ka handoto ny tenany na dia amin’ny ray aman-dreniny aza. Aoka tsy hiala avy tao amin’ny fitoerana masina izy na handoto ny toerana masin’Andriamaniny satria ny diloilo nanosoran’Andriamaniny azy no eo an-dohany: Izaho no TOMPO. Aoka ho vehivavy mbola virijiny no hampakariny. Fa ny maty vady na ny efa nisaorana na ny voaloto tamin’ny fijangajangana dia tsy azony ampakarina; fa virijiny avy amin’ny fireneny ihany no hampakariny. Aoka tsy hanao izay hampaloto ny taranany eo amin’ny fireneny izy fa Izaho TOMPO no nanamasina azy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ny zanakao, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, dia aoka tsy hanatona hanatitra ny hanin’Andriamaniny; fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatanteraka izany na ny jamba na ny mandringa na ny loaka orona na ny sampona amin’ny rantsam-batana na ny tapa-tongotra na ny tapa-tanana na ny vokoka na ny saozanina na ny misy pentimpentina eo amin’ny masony na ny feno hatina na ny feno tsingaoka na ny manana aretin-dahy. Ny olona rehetra amin’ny zanak’i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manatona hanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; misy kilema izy ka tsy mahazo manatona mba hanatitra ny hanin’Andriamaniny. Ny hanin’Andriamaniny kosa, izay avy amin’ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany; kanefa tsy mahazo mankeo amin’ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina fa Izaho TOMPO no manamasina ireo. Dia nilaza izany tamin’i Arona sy ireo zanany ary ny Zanak’Israely rehetra i Mosesy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany mba hitandremany ny amin’ny tsy hikasihany ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho Ahy mba tsy hanamavoany ny anarako masina. Izaho no TOMPO. Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, nefa manakaiky ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho eo anatrehako. Izaho no TOMPO. Na iza na iza amin’ny taranak’i Arona no boka na marary mitsika eo amin’ny taovam-pananahana dia tsy hihinana ireo zava-masina izy mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ny tsirinainy na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay maloto na lehilahy izay maloto, na inona na inona no fahalotoany, ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ny andro ka tsy hihinana amin’ny zava-masina raha tsy mandro amin’ny rano. Rehefa milentika ny masoandro vao hadio izy ka izay vao mahazo mihinana amin’ny zava-masina satria anjara haniny izany. Izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby dia tsy hohaniny mba tsy hahaloto azy. Izaho no TOMPO. Aoka hitandrina izay asaiko tandremana izy fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ny nanamavoany azy. Izaho TOMPO no manamasina izany. Aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina. Na izay mivahiny ao amin’ny mpisorona na izay mpikarama dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina. Fa raha misy olona novidin’ny mpisorona dia mahazo mihinana amin’izany ihany izy; ary izay teraka tao an-tranony koa dia mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny mpisorona. Raha misy zanakavavin’ny mpisorona manambady olon-kafa dia tsy hihinana amin’ny fanatitra izay nalaina avy amin’ny zava-masina izy. Fa raha misy zanakavavin’ny mpisorona ka maty vady na efa nisara-bady, nefa tsy manan-janaka ary mody any an-tranon’ny rainy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny sakafon’ny rainy ihany izy; nefa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany. Raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ny zava-masina dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ny ampahadiminy izany. Aoka tsy hisy hanamavo ny zava-masin’ny Zanak’Israely izay ateriny ho an’NY TOMPO na hahatonga ota sy heloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho TOMPO no manamasina izany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’Israely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo amin’ny Israely no manolotra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo, izay hatolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo, dia lahy tsy misy kilema no hatolony, na omby izany na zanak’ondry na osy, mba hankasitrahana anareo. Izay rehetra misy kilema dia tsy hatolotrareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany. Raha misy manolotra fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO, na ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo na omby izany na ondry na osy, dia izay tsara tsy misy kilema na kely akory aza no hatolony mba hankasitrahana azy. Fa ny jamba na ny misy tapaka na ny kilemaina na ny ferena na ny be hatina na ny be hazaka dia tsy mba hatolotrareo ho an’NY TOMPO, na hataonareo fanatitra levonina amin’ny afo eo ambonin’ny alitara ho an’NY TOMPO. Na omby na ondry na osy misy sampona dia azonao aterina ho fanatitra an-tsitrapo ihany; fa raha hanefana voady kosa dia tsy hankasitrahana izany. Izay voaporitra na voatoro na voaongotra na voadidy ho afaka ny vihindahiny, dia tsy azonareo atolotra ho an’NY TOMPO; ary aza manao izany eo amin’ny taninareo. Raha misy olona hafa firenena aza mitondra izany zavatra izany dia tsy azonareo atolotra ho hanin’Andriamanitrareo izany satria efa simba ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Raha misy omby na ondry na osy vao teraka dia hitoetra amin’ny reniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra dia hankasitrahana izy raha atao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Fa ny ombivavy na ny ondrivavy na ny osivavy dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany. Raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’NY TOMPO ianareo dia amin’izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy. Amin’izany andro izany ihany no hihinanana azy fa aza amelana ho tra-maraina. Izaho no TOMPO. Tandremo ny didiko ka araho. Izaho no TOMPO. Aza manamavo ny anarako masina fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Israely Aho. Izaho TOMPO izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo. Izaho no TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny amin’ireo andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO izay hantsoinareo hoe fivoriana masina, dia izao no izy: Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, fivoriana masina; aza miasa mihitsy ianareo, fa Sabata ho an’NY TOMPO eny amin’izay fonenanareo rehetra izany. Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO, dia fivoriana masina hantsoinareo amin’ny fotoanany avy. Ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany, rehefa hariva milenti-masoandro, dia Paska an’ny NY TOMPO. Ary ny andro fahadimy amby folo amin’izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha fanompoana ianareo fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any dia mitondrà amboara iray amin’ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ny mpisorona. Hanandratra ny amboara eo anatrehan’NY TOMPO izy mba hankasitrahana anareo; ny ampitson’ny Sabata no hanandratan’ny mpisorona azy. Koa amin’izay andro hanandratanareo ny amboara dia manolora zanak’ondrilahy tsy misy kilema izay herintaona ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO. Ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo hatao fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary ny fanatitra aidina miaraka aminy dia divay ampahefatry ny hina. Aza mihinana mofo na lango na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra. Manisà herinandro fito ho anareo, manomboka ny ampitson’ny Sabata ka hatramin’izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra asandratra. Ny ampitson’ny Sabata fahafito no hahataperan’ireo andro dimampolo hisainareo, dia manolora fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO. Mitondrà mofo roa avy any amin’ny fonenanareo hatao fanatitra asandratra; hatao amin’ny koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha izany ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’NY TOMPO izany. Dia manolora zanak’ondrilahy fito tsy misy kilema, iray taona avy, miaraka amin’ny mofo sy vantotra ombilahy iray ary ondrilahy roa. Hatao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Manolora koa osilahy iray ho fanatitra fanadiovana sy zanak’ondrilahy roa, herintaona avy, ho fanati-pihavanana. Ary ny mpisorona dia hanolotra ireo mbamin’ny mofon’ny voaloham-bokatra ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO, miaraka amin’ny zanak’ondrilahy roa; ireo dia ho masina ho an’NY TOMPO, ho anjaran’ny mpisorona. Ambarao ho fivoriana io andro io ka manaova fivoriana masina ary aza manao raharaha fanompoana. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra. Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo dia aza jinjaina avokoa ny eny an-tsisiny ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao fa avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; amin’io no hitsofana trompetra ho fampahatsiarovana ny fivoriana masina. Aza manao raharaha fanompoana ianareo, fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany no Andro Fanavotana Lehibe. Hisy fivoriana masina ho anareo; hifady hanina ianareo ka hanatitra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Aza manao raharaha amin’izany andro izany; fa andro fanavotana io, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo. Fa ny olona rehetra izay tsy mety mifady hanina amin’io andro io dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. Koa ny olona rehetra izay miasa amin’io andro io dia hesoriko tsy ho amin’ny fireneny. Aza manao raharaha akory. Ho lalàna maharitra hatrany amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay rehetra honenanareo. Ho Sabata izany, tena andro fitsaharana ho anareo ary hifady hanina ianareo; amin’ny andro fahasivy amin’ny volana, rehefa hariva, manomboka ny hariva ka hatramin’ny ampitso hariva no hitandremanareo ny Sabata, andro fitsaharanareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafolo no hiantombohan’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana. Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ka aza manao raharaha fanompoana. Hafitoana no hanoloranareo fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa ka hanolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ianareo; andro fivoriana masina izany, koa aza manao raharaha fanompoana ianareo. Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ka hantsoinareo hoe: Fivoriana masina, hanolorana fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary fanatitra hafa alatsa-dra sy fanatitra aidina, samy amin’ny fotoanany avy izy rehetra, afa-tsy izay fanao amin’ny Sabatan’NY TOMPO sy ny zavatra ataonareo fanomezana sy ny fanatitra rehetra hanefanareo voady ary ny fanatitra an-tsitraponareo rehetra izay omenareo ho an’NY TOMPO. Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, rehefa manangona ny zavamaniry ianareo dia tandremo ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo koa dia andro fitsaharana. Amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampana palma sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; ary mifalia mandritra ny hafitoana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo. Tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, hafitoana isan-taona. Ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby io; amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy. Ao amin’ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo mandritra ny hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ny Zanak’Israely dia samy hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo avokoa, mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’Israely tao amin’ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely ireo fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ireo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Omeo baiko ny Zanak’Israely mba hitondra diloilon’oliva voatoto tsy miharo ho eo aminao, hatao fanazavana mba hampirehetana tsy an-kiato ny jiro. Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany. Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO. Makà koba tsara toto ka endaso ho mofo roa amby folo; roa ampahafolon’ny efaha no hatao mofo iray. Apetraho eo ambonin’ny latabatra madio eo anatrehan’NY TOMPO ireo ka ataovy laharana roa, enina avy isan-daharana. Asio ditin-kazo manitra madio ny toerana tsirairay, koa aoka ho eo amin’ny mofo izany mba ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Isaky ny Sabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO; avy amin’ny Zanak’Israely izany, dia fanekena maharitra. Ho an’i Arona sy ireo zanany ireo mofo ireo ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; zavatra tena masina ho an’ny mpisorona ireo, avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo; lalàna maharitra izany. Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io. Niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ilay zanaky ny vehivavy israelita ka nanozona; dia noentina tany amin’i Mosesy izy; Selomita no anaran’ny reniny, zanakavavin’i Dibry avy tamin’ny fokon’i Dana izy; dia nambenana izy, mandra-pahafantatra izay ho didin’NY TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Avoahy ho eny ivelan’ny toby ilay nanozona ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tanany amin’ny lohany ary aoka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Ary mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’Andriamaniny dia ho meloka. Izay miteny ratsy ny anaran’NY TOMPO dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo; na vahiny na tompon-tany, izay miteny ratsy ny anarana, dia hovonoina. Izay mahafaty olona dia hovonoina ho faty. Fa izay mahafaty biby fiompy kosa dia hanonitra azy: Biby solon’ny biby. Raha misy olona mampanan-kilema ny namany dia toy izay nataony no hatao aminy koa: Tapaka solon’ny tapaka, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ny olona no hatao aminy koa. Izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hovonoina ho faty. Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy dia navoakany teny ivelan’ny toby ilay niteny ratsy ka notoraham-bato. Dia nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ny tany, dia Sabata ho an’NY TOMPO. Enina taona no hamafazanao ny taninao, enina taona no handrantsananao ny voalobokao sy hanangonanao ny vokatra avy aminy; fa ny taona fahafito kosa dia ho tena fitsaharana ho an’ny tany, dia Sabata ho an’NY TOMPO; aza mamafy amin’ny taninao ianao ary aza mandrantsana ny voalobokao. Aza mijinja izay naniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’izay tsy nandrantsananao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ny tany izany. Ary izay maniry ho azy amin’ny Sabatan’ny tany no ho sakafo ho anao, ho an’ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao, ho an’ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao ary ho an’ny biby fiompinao sy ny bibidia izay eo amin’ny taninao; izay vokatra rehetra eo no ho sakafo. Manisà taon-tSabata fito ho anao, fito taona impito, koa ny hanisanao ny andron’ireo taon-tSabata fito ireo dia sivy amby efapolo taona. Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito; amin’ny Andro Fanavotana Lehibe no hitsofanareo anjomara manerana ny taninareo. Ary hamasino ny taona fahadimampolo ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany ka samia mody any amin’ny taninareo sy any amin’ny fokonareo avy ianareo. Jobily ho anareo izany taona fahadimampolo izany: Aza mamafy ianareo, aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa ary aza mioty ny avy tamin’izay tsy nandrantsananareo fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo. Amin’izany taon-Jobily izany dia samy hody amin’ny taninareo avy ianareo. Raha mivarotra na mividy zavatra amin’ny mpiray firenena aminareo ianareo dia aza misy mampahory ny rahalahiny. Araka ny isan’ny taona aorianan’ny Jobily no hividiananao amin’ny namanao; ary araka ny isan’ny fararano no hivarotany aminao. Araka ny hamaron’ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin’ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan’ny fararano no hivarotany aminao. Aza misy mampahory ny mpiray firenena aminareo ianareo fa matahora an’Andriamanitrao; Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Araho ny didiko ka tandremo ny fitsipiko, ary araho izany, dia handry fehizay amin’ny tany ianareo. Ary hanome vokatra ny tany ary hihinana ianareo ka ho voky sady honina am-piadanana eo amin’ny tany. Ary fandrao ianareo hiteny hoe: Inona no hohaninay amin’ny taona fahafito satria tsy mamafy izahay na manangona ny vokatray dia hodidiako ho aminareo ny fitahiako amin’ny taona fahenina ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ny telo taona. Ary hamafy ianareo amin’ny taona fahavalo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatonga ny taona fahasivy. Mandra-piakatry ny vokatra vaovao no hihinananareo ny tranainy. Tsy hatao varo-maty ny tany satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny Amiko ianareo. Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin’ny tany rehetra izay lovanareo. Raha toa ka mihamahantra ny rahalahinao ka nivarotany ny taniny dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny. Raha tsy manan-kavana hanavotra Ralehilahy ka amin’izay tratry ny tanany no ahazoany izay ampy hoenti-manavotra azy dia aoka hanisa ny taona hatramin’ny nivarotany azy izy ary handoa izay mifanentana amin’ny taona sisa ho an’ny lehilahy izay nivarotany azy dia hody amin’ny taniny izy. Fa raha tsy nahatratra izay ampy handoavana izany izy dia mbola hijanona eo an-tanan’ilay nividy azy ihany ny tany izay namidiny mandra-pahatongan’ny taon-Jobily. Ho afaka izany amin’ny Jobily ka hody amin’ny taniny Ralehilahy. Raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ny tanàna mimanda dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitra ny herintaona nivarotany azy; ao anatin’izany no hahazoany manavotra azy. Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitra ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ny tanàna mimanda dia tapaka ho varo-maty ho an’izay nividy azy sy ho an’ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ny Jobily aza. Fa ny trano ao amin’ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao tahaka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany ka ho afaka amin’ny Jobily. Kanefa ny amin’ny tanànan’ny levita, ny trano ao amin’ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ny levita avotana ihany na rahoviana na rahoviana. Fa raha misy levita hafa manavotra azy dia ho afaka amin’ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ny levita dia lovany ao amin’ny Zanak’Israely. Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo amidy satria ho lovany maharitra izany. Raha mihamahantra ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka dia tohano izy ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny. Aza maka zana-bola na tombony aminy fa matahora an’Andriamanitrao mba ho velona eo aminao ny rahalahinao. Aza mampanjana-bola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanana ka ho Andriamanitrareo Aho. Raha mihamahantra ny rahalahinao ka mivarotra ny tenany aminao dia aza asainao manompo anao toy ny andevo izy; fa aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy ary mandra-pahatongan’ny taon-Jobily no hiasany ho anao. Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ny ankohonany sy amin’ny tanindrazany koa. Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo. Aza mifehy azy amin-kery fa matahora an’Andriamanitrao. Fa ny amin’izay ho andevolahinao sy andevovavinao dia amin’ny Jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy. Amin’ny zanaky ny vahiny izay monina eo aminareo sy amin’ny taranany izay haterany eo amin’ny taninareo koa no hividiananareo; dia ho fanananareo ireny. Ary hataonareo lovan’ny zanakareo mandimby anareo ireny ho fananana holovany ka hampanompoinareo maharitra; fa ny Zanak’Israely rahalahinareo dia aza mba anjakazakana amin-kery. Raha tonga manankarena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny ary ny rahalahinao izay mifandray aminy kosa mihamahantra ka mivarotra ny tenany amin’ny vahiny eo aminao, na amin’ny taranaky ny vahiny na dia nivarotra ny tenany aza izy dia azo avotana indray ka ny iray amin’ny rahalahiny no mahazo manavotra azy; na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ny ankohonany no mahazo manavotra azy kanefa raha tratry ny ananany dia afaka manavotra ny tenany izy. Ary izany dia hisainy amin’izay nividy azy manomboka amin’ny taona nivarotana azy ka hatramin’ny taon-Jobily. Ny vola nivarotany ny tenany kosa dia hifanentana amin’ny isan’ny taona. Toy ny fanisa ny andro niasan’ny mpikarama no hiheverana azy. Raha mbola maro ny taona sisa dia ara-keviny ihany no handoavany ny fanavotana azy avy amin’ny vola vidiny teo aloha. Fa raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taon-Jobily dia hanisa izany aminy izy, koa ara-keviny amin’ny taona ihany no handoavany ny vola fanavotana azy. Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aza avelanao hampijaliana eo imasonao izy. Raha tsy voavotra amin’izany izy dia ho afaka amin’ny taon-Jobily izy sy ireo zanany. Fa mpanompoko ny Zanak’Israely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Tandremo ny Sabatako ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no TOMPO. Raha manaraka ny lalànako sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany dia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoanany Aho ka hahavokatra ny tany ary hamoa ny hazo any an-tsaha. Ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka ny taom-pivelezanareo ary ho tratry ny taom-pamafazana ny taom-piotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky ary handry fehizay eo amin’ny taninareo. Homeko fiadanana eo amin’ny tany ianareo ka handry fehizay, ary tsy hisy hanaitaitra; fa hofongorako ny biby masiaka amin’ny tany ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy ireo. Ny dimy aminareo dia hanenjika ny zato ary ny zato aminareo dia hanenjika ny iray alina. Ny fahavalonareo dia ho lavon-tsabatra eo anoloanareo. Ary hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo sady hanorina ny fanekeko aminareo. Hihinana ny tranainy ianareo sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao. Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo ary tsy ho halan’ny fanahiko ianareo. Handeha eo anivonareo Aho ka ho Andriamanitrareo ary ianareo dia ho oloko. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mitraka. Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo ary hamavoinareo ny didiko na halan’ny fanahinareo ny fitsipiko ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra fa ivadihanareo ny fanekeko dia izao no hataoko aminareo: Hasiako fampitahorana aminareo, dia aretina mahasaozanina sy tazo mahamay izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo fa ny fahavalonareo no hihinana azy. Dia hifanandrina aminareo ny tavako ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo. Izay mankahala anareo no hifehy anareo ary handositra ianareo na dia tsy misy manenjika aza. Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’izany rehetra izany dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo. Horavako ny reharehan’ny herinareo ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo dia ho lany foana; fa tsy hanome vokatra ny taninareo ary tsy hamoa ny hazo amin’ny tany. Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo ka tsy mety mihaino Ahy dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo. Hampandehaniko eo aminareo ny bibidia ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ary hahavitsy isa anareo; ny lalambenareo dia ho tonga tany efitra. Ary raha tsy mandray ny anatro amin’izany ianareo fa mbola manohitra Ahy ihany Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo. Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona ao anatin’ny tanànanareo ianareo dia handefa areti-mandringana aminareo Aho ary hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo. Raha atsahatro ny mofo ho anareo, izay tohan’ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo ary an-tsinjarany no hizaràny azy dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky. Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ihany ianareo fa mbola manohitra Ahy hatrany dia hamely anareo amin’ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo. Dia hihinana ny nofon’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo. Dia horavako ny toerana fanaovanareo sorona ary hokapaiko ny tsangankazon-tsampinareo ho an’ny masoandro ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo ary ho halan’ny fanahiko ianareo. Horavako ny tanànanareo ka ho lao ireo toeranareo masina ary tsy hamboloiko ny hanitra mani-pofona aterinareo. Hataoko lao ny tany ka ho talanjona amin’izany ny fahavalonareo izay monina eo. Ary ianareo dia haeliko any amin’ny Jentilisa; hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika anareo Aho ka ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo. Ary amin’izany ny tany dia hifaly amin’ny Sabatany mandritra ny andro rehetra izay hahafoana azy raha any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany; amin’ny andro hahafoana azy rehetra no hitsaharany ho solon’izay tsy nitsaharany tamin’ny Sabatanareo fony mbola nonina teo ianareo. Ary ny amin’ireo sisa aminareo dia hampidirako hakiviana ao am-pony, any amin’ny tanin’ny fahavalony, ka na ny feon’ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandositra sabatra izy ka ho lavo na dia tsy misy manenjika aza. Ary ho lavo mifanindry toy ny mandositra sabatra izy ireo na dia tsy misy manenjika aza; koa tsy hahajanona eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo. Dia ho lany ringana any amin’ny Jentilisa ianareo; ho lanin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo. Ary ireo sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ny tanin’ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa. Dia hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, dia ny fahadisoana izay vitany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy, ary Izaho koa hamely azy ka hitondra azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Dia hietry amin’izany ny fony tsy voafora ka hanonitra ny helony izy ireo dia hotsarovako ny fanekeko tamin’i Jakoba sy ny fanekeko tamin’Isaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany. Ary hilaozan’izy ireo ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany satria mitoetra foana tsy misy olona; fa ny olona kosa dia hanonitra ny amin’ny helony satria nandà ny fitsipiko sady nankahala ny didiko. Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny. Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta teo imason’ny Jentilisa mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no TOMPO. Ireo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’NY TOMPO ho aminy sy amin’ny Zanak’Israely teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’i Mosesy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona hanefa voady dia hotombanana araka ny olona ho an’NY TOMPO izany. Ny hataonao tomban’ny lehilahy roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona dia sekela volafotsy dimampolo araka ny sekelan’ny fitoerana masina; raha vehivavy dia sekela telopolo kosa no hataonao tombany. Raha lehilahy dimy taona ka hatramin’ny roapolo taona izy dia sekela roapolo no hataonao tombany, fa raha vehivavy kosa dia sekela folo. Raha zazalahy iray volana ka hatramin’ny dimy taona dia sekela volafotsy dimy no hataonao tombany; ary sekela volafotsy telo kosa no hataonao tomban’ny zazavavy. Raha hatramin’ny enimpolo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy dia sekela dimy amby folo no hataonao tombany ary raha vehivavy kosa dia sekela folo. Raha mahantra kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona izy ary ny mpisorona dia hanombana azy. Araka izay takatry ny ananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona azy. Raha biby fiompy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO dia ho masina ho an’NY TOMPO izay rehetra omena amin’izany. Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ny ratsy na ny ratsy ho solon’ny tsara. Raha biby no atakalony biby dia samy ho masina izy sy ny takalony. Raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’NY TOMPO kosa izany dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ary ny mpisorona no hanombana azy, na tsara na ratsy; koa araka izay hataon’ny mpisorona tombany no izy. Fa raha ta hanavotra azy ny tompony dia hampiany ny ampahadiminy izay nataony tombany. Raha misy olona manamasina ny tranony ho an’NY TOMPO dia hotombanan’ny mpisorona ny trano, na tsara na ratsy; koa araka izay hataon’ny mpisorona tombany no izy. Raha tian’ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataonao tombany ka ho azy ny trano. Raha misy olona manamasina ny sasany amin’ny zarataniny ho an’NY TOMPO dia hotombanana araka ny voan-javatra famafy eo izany; ny voam-barimbazaha iray homera dia hotombanana sekela volafotsy dimampolo. Raha misy manamasina ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hatao tombany no izy. Fa raha misy manamasina ny taniny aorianany dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovana ny tombany. Raha tian’ilay nanamasina azy havotana ny tany dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataony tombany ka hijanona ho azy ny taniny. Fa raha tsy hanavotra ny tany izy fa hivarotra azy amin’olon-kafa dia tsy ho azo avotana intsony izany. Koa amin’ny Jobily, rehefa afaka tamin’ilay nivarotana azy ny tany, dia ho masina ho an’NY TOMPO tahaka ny saha natao zavatra voaozona izany: Ny mpisorona no ho tompony. Raha misy manamasina ny tany novidiny, izay tsy ao amin’ny zarataniny, ho an’NY TOMPO, dia hokajin’ny mpisorona aminy izay tokony ho tombany hatramin’ny taon-Jobily, ary handoa izay tombany amin’io andro io ihany izy; zava-masina ho an’NY TOMPO izany. Amin’ny taon-Jobily no hodian’ny tany amin’izay nividianana azy, dia ho an’izay tompon-dova. Ary ny tombany rehetra izay hatao dia ho araka ny sekelan’ny fitoerana masina: Ho gera roapolo ny sekela iray. Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’NY TOMPO, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby na ondry na osy, fa efa an’NY TOMPO io. Fa raha biby maloto kosa dia havotany araka izay hatao tombany ary hampiany ny ampahadiminy; fa raha tsy havotana izy dia hamidy araka izay nanaovana ny tombany. Kanefa ny zavatra rehetra izay ataon’ny olona ho zavatra voatokana ho an’NY TOMPO amin’izay ananany, na olona na biby fiompy na tany izay ao amin’ny fananany dia tsy hamidy na havotana satria tena zavatra masina ho an’NY TOMPO ny zavatra rehetra izay voatokana ho AZY. Ny olona rehetra izay atao ho zavatra voaozona dia tsy azo avotana fa hovonoina ho faty. Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanimbary na avy amin’ny saha, dia an’NY TOMPO; masina ho an’NY TOMPO izany. Raha misy tian’ny tompony havotana ny ampahafolon’ny vokatra dia hampiany ny ampahadiminy. Ary ny amin’ny ampahafolon’ny omby, na ny ondry na ny osy, ny ampahafolon’izay rehetra mandalo eo ambanin’ny tehin’ny mpiandry dia ho masina ho an’NY TOMPO. Tsy hojerena na tsara na ratsy izany ary tsy hatakalo; fa raha misy biby atakalo dia samy ho masina avokoa na ilay atakalo na ny takalony ka tsy misy azo avotana. Ireo no didy izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Zanak’Israely teo an-tendrombohitra Sinay. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay, tao amin’ny tranolay fihaonana, tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nivoahan’ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta. Hoy NY TOMPO taminy: Alao isa ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anaran’ny lehilahy tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika amin’ny Israely. Handamina azy araka ny antokony avy ianao sy i Arona. Aoka hisy lehilahy iray avy isam-poko ho namanareo, dia izay samy lohan’ny fianakaviany avy. Toy izao avy ny anaran’ireo lehilahy ho namanareo ireo. Ny avy amin’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora; ny avy amin’i Simeona dia i Selomiela, zanak’i Zorisaday; ny avy amin’i Joda dia i Nasona, zanak’i Aminadaba; ny avy amin’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara; ny avy amin’i Zebolona dia i Eliaba, zanak’i Helona; ny avy amin’ny zanak’i Josefa kosa: Ny avy amin’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda, ary ny avy amin’i Manase dia i Gamaliela, zanak’i Pedazora; ny avy amin’i Benjamina dia i Abidana, zanak’i Gideony; ny avy amin’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday; ny avy amin’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana; ny avy amin’i Gada dia i Eliasafa, zanak’i Deoela; ny avy amin’i Naftaly dia i Ahira, zanak’i Enana. Ireo no voaantso teo amin’ny fiangonana, samy lohan’ny fokony avy sady mpifehy arivo amin’ny Israely. Ary naka ireo olona voatonona anarana ireo i Mosesy sy i Arona dia namory ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa. Samy nampanoratra ny firazanany avy izy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nandaminany azy tany amin’ny tany efitr’i Sinay. Dimanjato sy enina arivo sy efatra alina ny avy tamin’ny taranak’i Robena, lahimatoan’Israely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izay azo alefa hanafika, ary voaisa avy tamin’ny fokon’i Robena. Tamin’ny taranak’i Simeona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voaisa, araka ny anaran’ny tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Simeona dia telonjato sy sivy arivo sy dimy alina. Tamin’ny taranak’i Gada, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Gada kosa dia dimampolo sy eninjato sy dimy arivo sy efatra alina. Tamin’ny taranak’i Joda, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Joda dia eninjato sy efatra arivo sy fito alina. Tamin’ny taranak’Isakara, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’Isakara dia efajato sy efatra arivo sy dimy alina. Tamin’ny taranak’i Zebolona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, ny voaisa avy tamin’ny fokon’i Zebolona dia efajato sy fito arivo sy dimy alina. Tamin’ny taranak’i Josefa: Avy tamin’ny taranak’i Efraima, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Efraima dia dimanjato sy efatra alina. Tamin’ny taranak’i Manase, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Manase dia roanjato sy telo arivo sy telo alina. Tamin’ny taranak’i Benjamina, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia efajato sy dimy arivo sy telo alina. Tamin’ny taranak’i Dana, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Dana dia fitonjato sy roa arivo sy enina alina. Tamin’ny taranak’i Asera, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Asera dia dimanjato sy arivo sy efatra alina. Tamin’ny taranak’i Naftaly, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia efajato sy telo arivo sy dimy alina. Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Arona ary ireo mpifehy roa amby folo lahy tamin’ny Israely, izay samy lohan’ny fianakaviany avy. Ary izay rehetra voaisa avy tamin’ny Zanak’Israely araka ny fianakaviany, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika avy amin’ny Israely, izay rehetra voaisa dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy. Tsy mba nisaina tao anatin’ireo kosa ny levita, araka ny fokony. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Ny fokon’ny levita ihany no aza isaina, aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Israely izy ireo. Fa tendreonao ny levita hitandrina ny tabernakelin’ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy. Izy ireo no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra, ary izy ireo no hanao fanompoana ao; manodidina ny tabernakely no hitobiany. Rehefa hiainga ny tabernakely dia ny levita no handrava azy; rehefa mijanona ny tabernakely dia ny levita no hanangana azy indray; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy. Dia hitoby ny Zanak’Israely, samy eo amin’ny tobiny avy, samy eo amin’ny fanevany avy, araka ny antokony. Fa ny levita kosa dia hitoby manodidina ny tabernakelin’ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ny Zanak’Israely; ny levita dia hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ny Vavolombelona Dia nataon’ny Zanak’Israely izany. Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataony. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Samy eo amin’ny fanevany sy eo amin’ny faneva kelin’ny fianakaviany avy no hitobian’ny Zanak’Israely; manodidina ny tranolay fihaonana, sady manandrify azy, no hitobiany. Ny hitoby eo amin’ny lafiny atsinanana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ny tobin’i Joda, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Joda dia i Nasona, zanak’i Aminadaba. Ny miaramilany izay voaisa dia eninjato sy efatra arivo sy fito alina. Ny fokon’Isakara kosa no hitoby eo anilany. Ny lohan’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara. Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy efatra arivo sy dimy alina. Avy eo dia ny fokon’i Zebolona. Ny lohan’ny taranak’i Zebolona dia i Eliaba, zanak’i Helona. Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy fito arivo sy dimy alina. Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Joda dia efajato sy enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no ho lohalalana. Ny fanevan’ny tobin’i Robena no ho eo amin’ny lafiny atsimo, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora. Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy enina arivo sy efatra alina. Ny fokon’i Simeona no hitoby eo anilany. Ny lohan’ny taranak’i Simeona dia i Selomiela, zanak’i Zorisaday. Ny miaramilany izay voaisa dia telonjato sy sivy arivo sy dimy alina. Manaraka izany ny fokon’i Gada. Ny lohan’ny taranak’i Gada dia i Eliasafa, zanak’i Reoela. Ny miaramilany izay voaisa dia dimampolo sy eninjato sy dimy arivo sy efatra alina. Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Robena dia dimampolo sy efajato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany. Dia handroso ny tranolay fihaonana sy ny tobin’ny levita izay eo afovoan’ny toby rehetra, ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ny filaharany avy, araka ny fanevany avy. Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda. Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy efatra alina. Ny fokon’i Manase no ho eo anilany. Ny lohan’ny taranak’i Manase dia i Gamaliela, zanak’i Pedazora. Ny miaramilany izay voaisa dia roanjato sy roa arivo sy telo alina. Manaraka izany ny fokon’i Benjamina. Ny lohan’ny taranak’i Benjamina dia i Abidana, zanak’i Gideony. Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy dimy arivo sy telo alina. Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Efraima dia zato sy valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony. Ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra. Ny lohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday. Ny miaramilany izay voaisa dia fitonjato sy roa arivo sy enina alina. Ny fokon’i Asera no hitoby eo anilany. Ny lohan’ny taranak’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana. Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy arivo sy efatra alina. Manaraka izany ny fokon’i Naftaly. Ny lohan’ny taranak’i Naftaly dia i Ahira, zanak’i Enana. Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy telo arivo sy dimy alina. Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Dana dia eninjato sy fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Ireo kosa no vodilalana, araka ny fanevany. Ireo no voaisa tamin’ny Zanak’Israely, araka ny fianakaviany. Ny tontalin’izay voaisa tamin’ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy. Ny levita kosa dia tsy mba nisaina niaraka tamin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy. Izao no taranak’i Arona sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’NY TOMPO tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay. Toy izao ny anaran’ireo zanakalahin’i Arona: I Nadaba lahimatoa, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana. Maty teo anatrehan’NY TOMPO i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO tany amin’ny tany efitr’i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy. Koa i Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’i Arona rainy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Ampanatony ny fokon’i Levy ka atsangano eo anatrehan’i Arona mpisorona mba hanampy azy. Hitandrina ny anjara raharahan’i Arona sy ny anjara raharahan’ny fiangonana manontolo eo anoloan’ny tranolay fihaonana izy ireo ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely. Hitandrina ny fanaka rehetra momba ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely izy ireo ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely. Homenao an’i Arona sy ireo zanany lahy ny levita, fa efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Israely ireo. I Arona sy ireo zanany lahy no hotendrenao hitandrina ny fisoronany, fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Indro Aho efa naka ny levita avy tamin’ny Zanak’Israely ho solon’ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ny Zanak’Israely, koa Ahy ny levita. Satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ny tany efitr’i Sinay hoe: Isao ny levita araka ny fianakaviany; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ny iray volana no ho miakatra no hisainao. Ary nanisa azy ireo i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO, dia araka izay efa nandidiana azy. Izao no zanakalahin’i Levy, araka ny anarany: I Gersona sy i Kehata ary i Merary. Ireto kosa ny anaran’ireo zanakalahin’i Gersona, araka ny fianakaviany: I Libny sy i Simey. Ny zanakalahin’i Kehata, araka ny fianakaviany, dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela. Ny zanakalahin’i Merary indray, araka ny fianakaviany, dia i Maly sy i Mosy. Ireo no fokon’ny levita, araka ny fianakaviany. Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fianakavian’ny Gersonita. Izay voaisa, araka ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia dimanjato sy fito arivo. Ny fianakavian’ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ny tabernakely, avy eo andrefany. Ny lohan’ny fianakavian’ny Gersonita dia i Eliasafa, zanak’i Laela. Ny anjara raharahan’ireo zanak’i Gersona eo amin’ny tranolay fihaonana dia ny tabernakely, ny lay, ny rakotra eo aminy, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ny fefy lamba amin’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny vavahadin’ny kianja izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy. Avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Amramita, ny fianakavian’ny Jizarita, ny fianakavian’ny Hebronita ary ny fianakavian’ny Ozielita; ireo no fianakavian’ny Kehatita. Ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia eninjato sy valo arivo. Ny fianakavian’ny zanak’i Kehata dia hitoby eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely. Ny lohan’ny fianakavian’ny Kehatita dia i Elizafana, zanak’i Oziela. Ny anjara raharahany dia ny vata misy ny Vavolombelona, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ny alitara roa sy ireo fanaky ny fitoerana masina, izay ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana, ary koa ny varavarana lamba mbamin’izay zavatra rehetra momba azy. Ny lehiben’ireo lohan’ny levita dia i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, izay lehiben’ireo mpitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerana masina. Avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Malita sy ny fianakavian’ny Mosita. Ireo no fianakavian’i Merary. Izay voaisa, araka ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia roanjato sy enina arivo. Ny lohan’ny fianakavian’i Merary dia i Zoriela, zanak’i Abihaila. Ireo no hitoby eo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tabernakely. Ny anjara raharahan’ny zanak’i Merary dia ny hazo fisaka amin’ny tabernakely, ny barany, ny andriny, ny faladiany ary ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny zavatra rehetra momba azy, ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day ary ny kofehy momba azy. Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy. Ny tontalin’izay voaisa avy tamin’ny levita, dia izay nisain’i Mosesy sy i Arona araka ny didin’NY TOMPO, avy tamin’ny fianakaviany, ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo sy roa alina. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Isao ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely hatramin’ny iray volana no ho miakatra ka alao isa araka ny anarany. Alao ho Ahy ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely. Dia nisain’i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO azy. Ny lahimatoa rehetra izay nisaina, araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia telo amby fitopolo sy roanjato sy roa arivo sy roa alina. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Alao ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, ary ny biby fiompin’ny levita ho solon’ny biby fiompiny. Ahy ny levita. Izaho no TOMPO. Ny amin’ny fanavotana ireo telo amby fitopolo sy roanjato amin’ny lahimatoan’ny Zanak’Israely, izay mihoatra noho ny isan’ny levita, dia hakanao sekela dimy isan’olona; araka ny sekela masina no hakanao azy, gera roapolo ny sekela iray. Homenao an’i Arona sy ireo zanany ny vola ho fanavotana an’ireo mihoatra isa ireo. Ary i Mosesy dia nandray ny vola avotr’ireo izay nihoatra tamin’ny isan’ireo voaavotry ny levita; tamin’ny lahimatoan’ny Zanak’Israely no nandraisany ny vola, dia sekela dimy amby enimpolo sy telonjato sy arivo, araka ny sekela masina. Dia nomen’i Mosesy an’i Arona sy ireo zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Alao isa ny taranak’i Kehata ao amin’ny taranak’i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia izay rehetra azo alefa hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ireo. Izao no ho fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra: Rehefa hiainga ny toby dia hiditra i Arona sy ireo zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana, ary hasarony ny vata misy ny Vavolombelona izany; hoditra trozona no hataony sarona eo amboniny, koa lamba volon’ondry manga tokam-bolo no hovelariny ary hasarony eo ambonin’io, dia hataony eo aminy ny baony. Hamelatra lamba volon’ondry manga eo ambonin’ny latabatry ny mofo atao fanatitra izy ireo ka hataony eo ny lovia, ny lovia kely, ny kapoaka ary ny kapoaka lehibe fandrarahana divay; ary ny mofo atao fanatitra dia hataony eo amboniny. Hovelarany lamba jaky eo ambonin’io ka hosaronany amin’ny rakotra hoditra trozona izany, dia hataony eo aminy ny baony. Haka lamba volon’ondry manga indray izy ka hasarony ny fitoeran-jiro fanazavana, ireo jirony, hetin-jirony sy fitoeran-davenon-jirony ary ireo fitaovany fitoeran-diloilo rehetra, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana; ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ny sarona hoditra trozona ka hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy. Hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena izy, dia hosaronany rakotra hoditra trozona, ary hataony eo aminy ny baony. Avy eo dia halainy ny fanaka rehetra fitondra manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ka hataony ao anaty lamba volon’ondry manga, ary hosaronany rakotra hoditra trozona, dia hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy. Dia hanaisotra ny lavenona amin’ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny. Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny fitondrana afony, ny fitrebiny, ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ireo fanaka rehetra momba ny alitara; hovelarany rakotra hoditra trozona eo amboniny dia hataony eo aminy ny baony. Rehefa vitan’i Arona sy ireo zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ireo fanaka rehetra momba azy ka efa hifindra ny toby, dia izay vao ho avy ireo zanak’i Kehata hitondra azy; satria tsy hikasika ny fitoerana masina izy ireo sao ho faty. Izany no anjara asan’ireo taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana. Ary i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia hanara-maso ny diloilo hatao fanazavana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fanao isanandro ary ny diloilo fanosorana; hanara-maso ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatiny izy, ao amin’ny fitoerana masina sy ireo fanaka momba azy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Ataovy izay tsy hahafongotra ny fianakavian’ny Kehatita izay naman’ny levita. Izao no hataonareo aminy mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: I Arona sy ireo zanany no ho avy ka hanendry ny olona samy ho amin’izay fanompoany sy ny asany avy. Tsy hiditra hijery ny zava-masina izy ireo na dia indray mipy maso akory aza fandrao maty. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Alao isa koa ny taranak’i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy; izay hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra azo alefa hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo. Izao no anjaran’ny fianakavian’ny Gersonita amin’ny fanompoana sy ny entana tokony hoentiny: Ny ambain’ny tabernakely sy ny tranolay fihaonana, ny rakotra sy ny sarona hoditra trozona izay eo amboniny, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ny fefy lamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny vavahadin’ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ny kofehy mbamin’ny fiasana rehetra momba azy. Izay asa rehetra momba ireo no ho fanompoany. Araka ny tenin’i Arona sy ireo zanany no hanaovan’ny Gersonita ny fanompoany amin’ny fitondrana ny entana sy ny fanompoany rehetra; hatolotrao azy ho anjara raharahany ny zavatra rehetra izay entiny. Izany no ho fanompoan’ny fianakavian’ny Gersonita momba ny tranolay fihaonana; ny ho mpifehy azy amin’izany anjara raharahany izany dia Itamara, zanak’i Arona mpisorona. Ny amin’ny taranak’i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy; izay hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra tokony hanafika, fa hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana izy ireo. Izao no ho anjara raharahany ny amin’ny entana araka ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana: Ireo hazo fisaka amin’ny tabernakely sy ny barany, ny andriny sy ny faladiany, ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra mbamin’ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao. Araka ny anarany avy no hanisanareo ny fanaka, izay anjara entany. Izany no ho fanompoan’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny tranolay fihaonana, ary Itamara, zanak’i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy. Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ireo lohan’ny fiangonana nanisa dia ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia izay rehetra tokony hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo. Izay voaisa taminy, araka ny fianakaviany, dia dimampolo sy fitonjato sy roa arivo. Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana, izay nisain’i Mosesy sy i Arona araka ny didin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Mosesy. Izay voaisa tamin’ny taranak’i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia izay rehetra tokony hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana. Izay voaisa taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telopolo sy eninjato sy roa arivo. Ireo no voaisa tamin’ny fokon’ny taranak’i Gersona, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ka nalamin’i Mosesy sy i Arona araka ny didin’NY TOMPO. Ary izay voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany, hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia izay rehetra afaka hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana, izay voaisa taminy, araka ny fianakaviany, dia roanjato sy telo arivo. Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, izay nisain’i Mosesy sy i Arona araka ny didin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Mosesy. Ny tontalin’ny taranak’i Levy izay voaisan’i Mosesy sy i Arona mbamin’ireo lehiben’ny Israely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin’ny fanompoana, dia ny fanompoana ny amin’ny fitondrana entana ao amin’ny tranolay fihaonana. Izay voaisa taminy dia valopolo sy dimanjato sy valo arivo. Araka ny didin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin’ny fanompoany avy sy ny anjara entany avy. Nomena andraikitra araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ireo. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandidia ny Zanak’Israely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto tamim-paty rehetra hiala amin’ny toby. Na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo anivony. Dia nanatanteraka izany ny Zanak’Israely ka namoaka ireny ho any ivelan’ny toby; araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ny olona ka manao izay mahadiso eo anatrehan’NY TOMPO ary meloka dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra feno ka hanampy ny ampahadiminy, ary homeny an’ilay nanaovany fahadisoana izany. Fa raha toa ka tsy manana havana mpanavotra hanaterany ny fanonerana ny amin’ny fahadisoany ilay olona dia ho an’NY TOMPO ny zavatra naterina ho fanonerana ka ho an’ny mpisorona, ho fanampin’ny ondrilahy fanavotana izay hanaovan’ny mpisorona fanavotana ho azy. Ary ny anjara rehetra alaina avy amin’ny zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely, izay atolony ho an’ny mpisorona, dia ho azy. Ho azy koa ny zava-masina aterin’ny olona rehetra; na inona na inona omen’ny olona ho an’ny mpisorona, dia ho azy izany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza vadin’olona mivaona ka mamitaka ny lahy, satria nisy lehilahy nandry taminy, saingy tsy hitan’ny lahy fa miafina Ravehivavy ka voaloto, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy ary tsy nisy izay nahatratra azy, na koa misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto Ravehivavy, na raha misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, kanefa tsy voaloto Ravehivavy, dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-barimbazaha ampahafolon’ny efaha. Tsy handrarahany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka. Hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampijoro azy eo anatrehan’NY TOMPO. Dia haka rano nohamasinina amin’ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’izay itoeran’ny tabernakely dia hakan’ny mpisorona ka hataony amin’ny rano. Ary hatsangan’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO Ravehivavy ka harakarakany ny volon-dohan-dRavehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ho eo an-tanan’ny mpisorona ny rano mangidy izay mitondra ozona. Dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona ka hiteny aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao ka tsy nivaona tamin’ny vadinao ho amin’ny fahalotoana ianao dia aoka ho afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao; fa raha nivaona tamin’ny vadinao kosa ianao ka voaloto, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao, dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona mba hiozona ka hiteny aminy hoe: NY TOMPO anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’NY TOMPO ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao; ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra any amin’ny tsinainao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao! Ary Ravehivavy hiteny hoe: Amena! Amena! Dia hosoratan’ny mpisorona amin’ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ny rano mangidy ny soratra; ary hampisotroiny an-dRavehivavy ny rano mangidy mitondra ozona; ary ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy. Dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dRavehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hasandrany eo anatrehan’NY TOMPO izany ka hatolony eo amin’ny alitara. Dia horaofin’ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara; rehefa afaka izany, vao hampisotroiny io rano io Ravehivavy. Koa rehefa nampisotroina ny rano izy, raha voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony sady hifezaka ny feny ka ho fiozonana eo amin’ny fireneny Ravehivavy. Raha tsy voaloto kosa Ravehivavy fa madio dia ho afaka izy ka hanana anaka. Izany no lalàna ny amin’ny ahiahy, raha misy vehivavy mivaona amin’ny vadiny ka voaloto; na, raha misy lehilahy azon’ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan’NY TOMPO izy, ary hanefa izany lalàna rehetra izany aminy ny mpisorona. Dia tsy hanan-tsiny Ralehilahy, fa Ravehivavy kosa dia ho meloka. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’NY TOMPO dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy, na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na lena, na maina. Amin’ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay rehetra natao tamin’ny voaloboka izy, manomboka amin’ny voany ka hatramin’ny hodiny. Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany. Amin’ny andro rehetra izay itokanany ho an’NY TOMPO koa dia tsy hiditra am-paty izy; aoka tsy handoto tena izy na dia amin’ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin’ny lohany ny fitokanana ho an’Andriamaniny. Amin’ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an’NY TOMPO izy. Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay voatokana, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. Amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy. Ary ny mpisorona dia hanolotra ny iray ho fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia ho fanatitra dorana manontolo, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota noho ny amin’ny faty izy; ary hanamasina ny lohany izy amin’izany andro izany. Dia hanokana ho an’NY TOMPO ny andro fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona, ho fanati-panonerana; fa ho very ireo andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany. Ary izao no lalàna ny amin’ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany dia hoentina ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy; ary hanolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO izy, dia ondrilahy iray izay feno iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana manontolo, ondrivavy iray izay iray taona sady tsy misy kilema, hatao fanatitra noho ny ota, ondrilahy iray tsy misy kilema, ho fanati-pihavanana, ary mofo tsy misy masirasira iray harona, mofo atao amin’ny koba tsara toto voaharo diloilo, mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy. Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO ireo; hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatiny dorana manontolo; dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO; hoentiny koa ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ny mpisorona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay noentiny sy ny fanatiny aidina. Ary ny Nazirita dia hanaratra ny lohany izay voatokana eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany izay voatokana ka hataony eo amin’ny afo izay eo ambanin’ny fanati-pihavanana. Halain’ny mpisorona ny sorok’ondrilahy izay efa masaka sy ny mofo iray tsy misy masirasira avy ao an-karona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hatolony eo an-tanan’ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay voatokana. Dia hataon’ny mpisorona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo; masina ho an’ny mpisorona izany, ho fanampin’ny tratrany nasandratra sy ny feny nalaina avy amin’ny fanatitra; aorianan’izany kosa dia mahazo misotro divay ny Nazirita. Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay mivoady hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ny fitokanany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no teny hoentinareo mitsodrano ny Zanak’Israely: Hitahy anao anie NY TOMPO ka hiaro anao; hampamirapiratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hamindra fo aminao; hanandratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hanome anao fiadanana. Dia hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Israely izy ireo ary Izaho hitahy azy. Tamin’ny andro nahavitan’i Mosesy ny fananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy izy, nanosotra sy nanamasina ireo izy. Dia nitondra fanatitra ireo lohan’ny firenen’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana isanisany; ireo no lohan’ny fokony avy, izay nifehy ny voaisa. Ary izy ireo dia nitondra ny fanatiny teo anatrehan’NY TOMPO, dia sarety enina mirakotra sy omby roa amby folo, koa sarety iray sy omby iray avy ny avy tamin’ny lehiben’ny firenena roa, ary omby iray avy; dia noentin’izy ireo teo anoloan’ny tabernakely izany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Raiso avy aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana ka omeo ny levita, dia samy araka ny fanompoany avy. Dia noraisin’i Mosesy ny sarety sy ny omby ka nomeny ny levita. Sarety roa sy omby efatra no nomeny ho an’ny taranak’i Gersona, araka ny fanompoany; ary sarety efatra sy omby valo no nomeny ho an’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany teo ambany fitarihan’Itamara, zanak’i Arona mpisorona. Fa ny taranak’i Kehata kosa tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no anjarany, ary eo an-tsorony ihany no hilanjany azy. Ireo lohan’ny foko kosa no nanolotra fanatitra ho amin’ny fitokanana ny alitara amin’ny andro izay hanosorana azy; samy nanolotra ny fanatiny teo anoloan’ny alitara ireo lohan’ny foko. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara. I Nasona, zanak’i Aminadaba, avy tamin’ny fokon’i Joda no nanolotra ny fanatiny tamin’ny andro voalohany. Lovia volafotsy iray, milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny; miaraka amin’io koa, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; ny ho fanatitra dorana manontolo dia vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry iray izay iray taona; osilahy iray no ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Nasona, zanak’i Aminadaba. Tamin’ny andro faharoa dia i Netanela, zanak’i Zoara, lohan’ny taranak’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny. Nanolotra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; ary vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry iray izay iray taona kosa no ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Netanela, zanak’i Zoara. Tamin’ny andro fahatelo dia ny lohan’ny taranak’i Zebolona, i Eliaba, zanak’i Helona, no nanolotra ny fanatiny. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Eliaba, zanak’i Helona. Tamin’ny andro fahefatra dia ny lohan’ny taranak’i Robena, i Elizora, zanak’i Sedeora, no nanolotra ny fanatiny. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Elizora, zanak’i Sedeora. Tamin’ny andro fahadimy dia ny lohan’ny taranak’i Simeona, i Selomiela, zanak’i Zorisaday, no nanolotra ny fanatiny. Lovia volafotsy iray kosa no fanatiny, sekela telopolo amby zato no lanjany, dia lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry izay iray taona, iray, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry izay iray taona, dimy; ireo no fanatitr’i Selomiela, zanak’i Zorisaday. Tamin’ny andro fahenina dia ny lohan’ny taranak’i Gada, i Eliasafa, zanak’i Deoela, no nanolotra. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, ary lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Eliasafa, zanak’i Deoela. Tamin’ny andro fahafito dia ny lohan’ny taranak’i Efraima, i Elisama, zanak’i Amihoda, no nanatitra. Lovia volafotsy iray, milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny, dia lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray taona iray, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Elisama, zanak’i Amihoda. Tamin’ny andro fahavalo dia ny lohan’ny taranak’i Manase, i Gamaliela, zanak’i Pedazora, no nanatitra. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Gamaliela, zanak’i Pedazora. Tamin’ny andro fahasivy dia ny lohan’ny taranak’i Benjamina, i Abidana, zanak’i Gideony. Ny fanatiny kosa dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana koa, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Abidana, zanak’i Gideony. Tamin’ny andro fahafolo dia ny lohan’ny taranak’i Dana, i Ahiezera, zanak’i Amisaday, no nanolotra ny fanatiny. Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy roa; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona kosa no ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Ahiezera, zanak’i Amisaday. Tamin’ny andro fahiraika amby folo indray dia ny lohan’ny taranak’i Asera, i Pagiela, zanak’i Okrana, no nanatitra. Ny fanatiny koa dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Pagiela, zanak’i Okrana. Tamin’ny andro faharoa amby folo, dia ny lohan’ny taranak’i Naftaly, i Ahira, zanak’i Enana, no nanatitra. Lovia volafotsy iray milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny, dia lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra; vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo; osilahy iray no ho fanatitra noho ny ota; ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Ahira, zanak’i Enana. Ireo no zavatra naterin’ireo lohan’ny Israely ho amin’ny fitokanana ny alitara tamin’ny andro izay hanosorana azy: Lovia volafotsy roa amby folo, lovia volafotsy famafazana roa amby folo, lovia kely volamena roa amby folo; sekela telopolo amby zato avy no lanjan’ny lovia volafotsy, sekela fitopolo avy ny lovia famafazana; ny lanjan’ny volafotsy rehetra tamin’ireo fanaka ireo dia sekela efajato sy roa arivo, araka ny sekela masina; lovia kely volamena roa amby folo, feno ditin-kazo manitra, milanja sekela folo avy, araka ny sekela masina; ny lanjan’ny lovia kely volamena rehetra dia sekela roapolo amby zato. Ny biby rehetra izay hatao fanatitra dorana manontolo dia vantotra ombilahy roa amby folo, ondrilahy roa amby folo, zanak’ondry roa amby folo izay iray taona, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy, ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota. Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy. Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima roa. Dia niteny taminy NY TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’i Arona hoe: Rehefa mampirehitra ny jiro fito ianao dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ny fitoeran-jiro ireo. Dia nataon’i Arona izany ka nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan’ny fitoeran-jiro, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Izao no nanaovana ny fitoeran-jiro: Volamena voatefy, koa hatramin’ny faladiany sy ny voniny aza dia samy voatefy avokoa; araka ny endrika izay nasehon’NY TOMPO an’i Mosesy no nanaovany ny fitoeran-jiro. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Alao ireo levita avy amin’ny Zanak’Israely ka diovy. Izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana amin’ny ota izy, asaivo haratany avokoa ny tenany manontolo, ary aoka hosasany ny fitafiany ka hadio izy. Dia asaivo maka vantotra ombilahy iray izy, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotra ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota. Ento ny levita hankeo anoloan’ny tranolay fihaonana; dia vorio ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo. Ento ny levita hankeo anatrehan’NY TOMPO ka ny Zanak’Israely dia hametraka ny tanany aminy; ary i Arona dia hanao ny levita ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanaovan’izy ireo ny fanompoana NY TOMPO. Ary hametraka ny tanany amin’ny lohan’ireo vantotra ombilahy ny levita; dia atolory ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, hanaovana fanavotana ho an’ny levita. Ary ampijoroy eo anatrehan’i Arona sy ireo zanany ny levita ka ataovy fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO izy ireo. Avaho amin’ny Zanak’Israely ny levita, dia ho Ahy ny levita. Rehefa vita izany dia hiditra hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ny levita. Toy izany no hanadiovanao azy ka hataonao fanatitra asandratra izy. Fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ny Zanak’Israely mihitsy izy ireo; mba ho solon’izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely no nanalako azy ho Ahy. Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako azy ireo ho Ahy. Efa nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Zanak’Israely ny levita. Ary nomeko ho an’i Arona sy ireo zanany mihitsy ny levita, avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanatanteraka ny fanompoan’ny Zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana sady hanao fanavotana ho an’ny Zanak’Israely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo ny Zanak’Israely raha manakaiky ny fitoerana masina izy ireo. Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo dia nanatanteraka tamin’ny levita izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita. Araka izany no nataon’ny Zanak’Israely taminy. Dia nanadio ny tenany ny levita sady nosasany ny fitafiany; ary i Arona dia nanao azy ireo ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO sady nanao fanavotana hanadiovana azy. Rehefa vita izany dia niditra hanao ny fanompoana tao amin’ny tranolay fihaonana ny levita, teo anatrehan’i Arona sy teo anatrehan’ireo zanany; araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita no nataony taminy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny amin’ny levita dia izao: Hatramin’ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra izy ireo no hanatona, hilatsaka amin’ny antokony, hanao ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana; rehefa dimampolo taona kosa izy dia hiala amin’ny antokon’ny fanompoana ka tsy hanompo intsony. Hanampy ny rahalahiny ao amin’ny tranolay fihaonana ihany izy mba hitandrina raharaha; fa tsy hanao ny tena fanompoana akory. Izany no hataonao amin’ny levita ny amin’ny anjara raharahany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ny tany efitr’i Sinay tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona faharoa, taorianan’ny nialany avy tany amin’ny tany Ejipta hoe: Aoka hotandreman’ny Zanak’Israely ny Paska amin’ny fotoanany. Amin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo amin’ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ny fotoanany; araka ny didy sy ny fanao rehetra amin’izany no hitandremanareo azy. Koa niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy mba hitandrina ny Paska. Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely. Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Mosesy sy i Arona izy ireo tamin’io andro io ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany? Dia hoy i Mosesy taminy: Mijoroa eo aloha fa hanontaniako izay handidian’NY TOMPO ny aminareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ny taranakareo hatramin’ny fara aman-dimby, maloto tamim-paty, na nandeha lavitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO ihany koa izy. Amin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana faharoa no hitandremany azy; ampombaina ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy. Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanolotra ny fanomezana ho an’NY TOMPO tamin’ny fotoanany izy; ho meloka izany olona izany. Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo ka mba te hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na mpifindra monina, na tompon-tany. Tamin’ny andro izay nananganana ny tabernakely dia nanarona ny tabernakely na ny tranolain’ny Vavolombelona ny rahona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ny tabernakely tahaka ny afo izany mandra-paharain’ny andro. Izany mandrakariva no niseho: Ny rahona dia nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo nony alina. Rehefa niakatra niala tamin’ny tranolay ny rahona dia niainga ny Zanak’Israely ka teo amin’izay nijanonan’ny rahona no nitobiany. Araka ny didin’NY TOMPO no niaingan’ny Zanak’Israely, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no nitobiany; tamin’ny fotoana rehetra izay nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely no nitobiany. Ary na dia nijanona andro maro teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona dia nitandrina izay nasain’NY TOMPO notandremana ny Zanak’Israely ka tsy niainga. Indraindray dia andro vitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely ka araka ny didin’NY TOMPO ihany no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no niaingany. Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo. Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy. Araka ny didin’NY TOMPO no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO no niaingany; nitandrina ny fanompoana NY TOMPO izy ireo, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova trompetra volafotsy roa; voatefy no hanaovanao azy. Ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. Rehefa tsofina ireo dia hivory eo aminao, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ny fiangonana manontolo. Fa raha ny iray ihany no tsofina dia ireo lohan’ny foko izay mpifehy arivo amin’ny Israely ihany no hivory eo aminao. Fa rehefa mitsoka ho fanairana ianareo dia hiainga ny toby izay milasy eo atsinanana. Rehefa mitsoka ny fanairana fanindroany ianareo dia hiainga ny toby izay milasy eo atsimo; fanairana no hatao fiaingany. Fa raha hamory ny fiangonana kosa ianareo dia hitsoka fotsiny fa tsy hanao fanairana. Ny mpisorona, zanak’i Arona, no hitsoka ny trompetra. Ho lalàna maharitra ho anareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany. Ary raha misy ady eo amin’ny taninareo ka mandeha hiady amin’ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fanairana ianareo dia hotsarovana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ny fahavalonareo. Amin’ny andro fifalianareo sy amin’ny fotoam-pivavahanareo ary amin’ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana ho fampahatsiarovana ho anareo ianareo eo anatrehan’Andriamanitrareo, satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa, no niakaran’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakelin’ny Vavolombelona. Dia niainga tany an-tany efitr’i Sinay ny Zanak’Israely ka nandroso, ary ny rahona dia nijanona tany amin’ny tany efitra Parana. Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy. Ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Joda no niainga voalohany, araka ny antokony. Ny mpifehy ny antokony dia i Nasona, zanak’i Aminadaba. Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara. Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Zebolona dia i Eliaba, zanak’i Helona. Dia nahorona ny tabernakely ka niainga ny taranak’i Gersona sy ny taranak’i Merary, nitondra ny tabernakely. Niainga indray ny fanevan’ny tobin’i Robena araka ny antokony; ny mpifehy ny antokony dia i Elizora, zanak’i Sedeora. Ny mpifehy ny antokon’ny zanak’i Simeona dia i Selomiela, zanak’i Zorisaday. Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Gada dia i Eliasafa, zanak’i Deoela. Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny fitoerana masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-piavin’ireo. Niainga koa ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Efraima, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Elisama, zanak’i Amihoda. Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Manase dia i Gamaliela, zanak’i Pedazora. Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Benjamina dia i Abidana, zanak’i Gideony. Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodilalan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday. Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana. Ary ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Naftaly dia i Ahira, zanak’i Enana. Izany filaharana izany no niaingan’ny Zanak’Israely, araka ny antokony avy. Dia niainga izy. Dia hoy i Mosesy tamin’i Hobaba, zanak’i Regoela ilay Midianita, rafozan’i Mosesy: Izahay izao dia miainga hankany amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO hoe: Homeko anareo izany. Andeha ianao hiaraka aminay dia hasianay soa; fa NY TOMPO efa nilaza soa ny amin’ny Israely. Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa ho any amin’ny taniko sy ny havako aho. Dia hoy i Mosesy: Aza ilaozanao re izahay; fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay atỳ an-tany efitra ka ianao no ho masonay. Ary raha miaraka aminay ianao dia izay soa hataon’NY TOMPO aminay no hataonay aminao. Dia niainga avy tany amin’ny tendrombohitry NY TOMPO izy ireo ka nandeha lalan-kateloana; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandroso nialoha azy lalan-kateloana mba hitady toerana hialan-tsasatra ho an’ny olona. Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany. Rehefa niainga ny vata misy ny Fanekena dia hoy i Mosesy: Mitsangàna, TOMPO ô! Aoka hiely ny fahavalonao! Aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao! Rehefa nijanona kosa ny vata misy ny Vavolombelona dia hoy izy: Miverena, TOMPO ô, ho amin’ny Israely tsy omby alinalina! Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO. Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Mosesy dia maty ny afo. Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Tabera satria nandoro azy ny afon’NY TOMPO. Ary ny olona hafa firenena izay nifangaroharo taminy dia azon’ny fitsiriritana, ary nitomany indray ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay! Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Ejipta mbamin’ny voatango, ny tongolo ravina, ny tongolo ejipta sy ny tongolo lay. Izao anefa dia maina ny tendanay: Tsy misy na inona na inona hitanay afa-tsy ny mana ihany. Ary ny mana dia toy ny voan’ny koriandira ny fijery azy. Dia samy nandehandeha ny olona ka nanangona ary nanodina izany tamin’ny fikosoham-bary na nitoto izany tamin’ny laona dia nahandroiny tamin’ny vilany ka nanaovany mofo; ny tsirony indray dia sahala amin’ny tsiron’ny mofo misy diloilo. Rehefa nilatsaka tamin’ny toby ny ando tamin’ny alina dia nilatsaka taminy koa ny mana. Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity? Izaho va no torontoronina an’ity firenena iray manontolo ity? Ary izaho va no niteraka azy no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny lehilahy mpitaiza mitondra zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy! Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay! Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena iray manontolo ity, fa mavesatra amiko loatra. Koa raha izao no ataonao amiko, vonoy mihitsy aho, raha mba nahita fitia teo imasonao, mba tsy hahitako ny fahoriana manjo ahy! Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo. Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary haka avy amin’ny Fanahy izay ao aminao Aho ka hametraka izany eo amin’ireo, dia hiara-mivesatra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana. Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roapolo andro aza, fa hatramin’ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo ka hamparikoriko anareo; satria nolavinareo NY TOMPO izay eo afovoanareo ka nitomany teo anatrehany ianareo hoe: Nahoana re no nivoaka tany Ejipta izahay? Dia hoy i Mosesy: Miaramila enina hetsy ny firenena manodidina ahy, nefa hoy Ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana! Hamonoana ondry aman’osy sy omby hahavoky azy va, sa ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina no hangonina hahavoky azy? Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Nihafohy va ny tanan’NY TOMPO? Ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka ny teniko na tsia. Dia nivoaka mba hilaza ny tenin’NY TOMPO tamin’ny olona i Mosesy; nanangona fitopolo lahy tamin’ireo loholon’ny firenena izy ka nasainy nijoro manodidina ny tranolay. Dia nidina teo amin’ny rahona NY TOMPO ka niteny taminy ary nanalany ny Fanahy izay tao amin’i Mosesy ka napetrany tao amin’ny loholona fitopolo lahy. Raha vao nipetraka tao amin’izy ireo ny Fanahy dia naminany izy ireo nefa tsy nitohy izany. Ary nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny iray, ary Medada no anaran’ny iray; nipetraka teo amin’izy ireo ny Fanahy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy nefa tsy mba nandeha nankeo amin’ny tranolay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. Ary nisy zatovo nihazakazaka dia nilaza tamin’i Mosesy hoe: Maminany i Eldada sy i Medada etsy an-toby. Dia hoy i Josoa, zanak’i Nona, izay nanompo an’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. Fa hoy i Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’NY TOMPO rehetra ka hapetraky NY TOMPO aminy ny Fanahiny! Dia nisintona nankeo an-toby i Mosesy sy ireo loholon’ny Israely. Dia nisy rivotra nitsoka, nampandehanin’NY TOMPO, ka nandroaka papelika avy tany amin’ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teo amin’ny toby, koa tokony ho hatrany amin’ny lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy ary tokony ho roa hakiho ambonin’ny tany ny hatevenany. Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson’iny koa ary nanangona ny papelika; izay kely fanangona no nahazo folo homera; ary nahahiny nanodidina ny toby ireny. Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany dia nirehitra tamin’ny olona ny fahatezeran’NY TOMPO ary namely ny olona tamin’ny kapoka mafy indrindra Izy. Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Kibrota-Hatava na Ireo fasam-pitsiriritana satria teo no nandevenana ny olona izay matim-pitsiriritana. Ary niala tao Kibrota-Hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia niato tao Hazerota izy ireo. Ary i Miriama sy i Arona dia niteny nanome tsiny an’i Mosesy noho ny vehivavy kosita izay nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy kosita izy. Hoy izy mianadahy: Moa i Mosesy ihany va no nitenenan’NY TOMPO fa tsy izahay koa mba nitenenany? Dia ren’NY TOMPO izany. I Mosesy anefa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany. Ary NY TOMPO niteny tampoka tamin’i Mosesy sy i Arona ary i Miriama hoe: Mivoaha ho any amin’ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy. Dia nivoaka ny toby izy telo mianadahy. Ary nidina tamin’ny andry rahona NY TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny tranolay; dia niantso an’i Arona sy i Miriama Izy ka nivoaka ny toby izy mianadahy. Dia hoy Izy: Mba henoy ny teniko! Raha misy mpaminanin’NY TOMPO eo aminareo dia amin’ny fahitana no ampahafantarako ny tenako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy. Fa tsy toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay mahatoky amin’ny tranoko manontolo. Mifanatrika no itenenako aminy, amin’ny teny mazava fa tsy amin’ny ankamantatra ary mandinika ny endriky NY TOMPO mihitsy izy. Koa nahoana ianareo no tsy matahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko? Dia nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’NY TOMPO ary lasa Izy. Ary ny rahona dia niala tamin’ny tranolay; ary indro, tonga boka i Miriama ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary nijery an’i Miriama i Arona ka indro fa lasa boka ny anabaviny. Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indrisy, tompoko, mifona aminao re, aza atao ho helokay ny nanaovanay hadalana sy ny nanotanay. Aza dia avela ho toy ny zaza maty vao teraka izy ka lany sahady ny antsasaky ny nofony. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho mba sitrano re izy! Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Raha nandrora tamin’ny tavany ny rainy, moa tsy ho afa-baraka hafitoana va izy? Koa atokana any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, izay vao hiverina indray izy. Dia natokana tany ivelan’ny toby hafitoana i Miriama; ary tsy niainga ny olona raha tsy efa tafaverina i Miriama. Rehefa afaka izany vao niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-tany efitra Parana. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana izay omeko ho an’ny Zanak’Israely. Lehilahy iray avy amin’ny fokony avy no hirahinareo, koa izay samy lehiben’ny fokony avy. Ary nandefa azy ireo avy tao an-tany efitra Parana i Mosesy, araka ny didin’NY TOMPO; ary samy lehiben’ny Zanak’Israely ireo lehilahy rehetra ireo. Ireto ny anarany: Avy tamin’ny fokon’i Robena, i Samoa, zanak’i Zakora; avy tamin’ny fokon’i Simeona, i Safata, zanak’i Hory; avy tamin’ny fokon’i Joda, i Kaleba, zanak’i Jefone; avy tamin’ny fokon’i Isakara, i Jigala, zanak’i Josefa; avy tamin’ny fokon’i Efraima, i Hosea, zanak’i Nona; avy tamin’ny fokon’i Benjamina, i Palty, zanak’i Rafo; avy tamin’ny fokon’i Zebolona, i Gadiela, zanak’i Sody; avy tamin’ny fokon’i Josefa, tamin’ny fokon’i Manase, i Gady, zanak’i Sosy; avy tamin’ny fokon’i Dana, i Amiela, zanak’i Gemaly; avy tamin’ny fokon’i Asera, i Setora, zanak’i Mikaela; avy tamin’ny fokon’i Naftaly, i Naby, zanak’i Vofsy; avy tamin’ny fokon’i Gada, i Geoela, zanak’i Makỳ. Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary i Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa. Nandefa azy ireo hisafo ny tany Kanana i Mosesy ka niteny taminy hoe: Miakara mandalo eto amin’ny Negeva, ary avy eo, miakara any amin’ny tany be havoana; dia zahao izay toetry ny tany sy izay olona monina any, na mahery izy na osa, na vitsy izy na maro; jereo izay toetry ny tany itoerany, na tsara na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na an-day izany na an-tanàna mimanda; fantaro ny toetry ny tany, na lonaka, na ngazana, na misy hazo eo na tsia; dia mahereza ianareo ka mitondrà avy amin’ny vokatry ny tany. Fa fotoana fahamasahan’ny voaloboka mialin-taona tamin’izany. Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ny tany efitra Zina ka hatrany Rehoba, any akaikin’i Hamata. Niakatra nandalo ny Negeva izy ireo ka nankany Hebrona izay nisy an’i Ahimana sy i Sesay ary i Talmay, taranaky ny Anakita. I Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Ejipta. Dia tonga hatrany amin’ny lohasaha Eskola izy ireo ka tany no nanapaka sampam-boaloboka izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain’ny roalahy tamin’ny bao izany; nitondrany mody koa ny ampongabendanitra sy ny aviavy. Ary izany toerana izany dia nataony hoe Ny Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ny Zanak’Israely tao. Rehefa afaka efapolo andro dia niverina avy nisafo ny tany izy ireo. Dia nandeha izy ireo nankeo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, tany an-tany efitra Parana, tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy tamin’ny fiangonana manontolo sady naneho azy ny vokatry ny tany. Nitantara taminy izy ireo hoe: Tonga tany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay. Tena tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatra avy tany. Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary hitanay tany koa aza ireo taranaky ny Anakita. Ny Amalekita no monina any amin’ny Negeva; ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany be havoana; ny Kananita no monina any amoron’ny ranomasina sy any amoron’i Jordana. Fa nampangina ny olona teo anatrehan’i Mosesy i Kaleba ka niteny hoe: Tsy maintsy miakatra isika ka handray ny tany fa tsy maintsy ho resintsika izy! Fa hoy kosa ireo lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy afa-miakatra handresy ireo olona ireo isika satria mahery noho isika izy. Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Israely izy ireo ka niteny hoe: Ny tany izay nalehanay mba hosafoina dia tany mihinana izay monina ao ary ny olona rehetra izay hitanay tao dia olona vaventy be; hitanay tany koa ny Nefilima izay taranaky ny Anakita avy amin’ny Nefilima; teo imasonay izahay dia nahatsiaro ho tahaka ny tsingetana; toy izany koa izahay teo imasony! Dia nanandratra ny feony ny fiangonana manontolo ka nitaraina; nitomany ny olona nandritra iny alina iny. Dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona ny Zanak’Israely rehetra ka hoy ny fiangonana manontolo taminy: Tahaka izay isika mba maty tany amin’ny tany Ejipta ihany; na mba maty tatỳ amin’ity tany efitra ity! Nahoana NY TOMPO no nitondra antsika ho atỳ amin’ity tany ity mba ho lavon-tsabatra ka ho tonga babo ny vadintsika sy ny zanatsika madinika. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta? Dia nifampitaona izy ireo hoe: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina ho any Ejipta! Ary niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo i Mosesy sy i Arona. Ary i Josoa, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefone, izay isan’ireo nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany sady niteny tamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo hoe: Ny tany izay nalehanay, nosafoina, dia tany tena tsara indrindra. Raha ankasitrahan’NY TOMPO isika dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy ka homeny antsika io, dia tany tondra-dronono sy tantely. Fa aza mikomy amin’NY TOMPO ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany koa fa hataontsika indraimbava ireo. Ny aloka niaro azy dia efa niala taminy, fa NY TOMPO no momba antsika. Koa aza matahotra azy ianareo! Fa ny fiangonana manontolo dia nilaza hitora-bato azy roalahy, kanjo ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay fihaonana, teo anatrehan’ny Zanak’Israely rehetra. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamingavingan’ity firenena ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Hamely azy amin’ny areti-mandringana Aho ka hanary azy tsy hanan-dova, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. Dia hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Ny Ejiptiana anefa dia efa nandre fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity niakatra avy teo aminy ary holazainy amin’ny mponina eo amin’ity tany ity izany. Ary efa reny fa Ianao, TOMPO, no eto amin’ity firenena ity; Ianao TOMPO, no hita maso mifanatrika; ny rahonao no mijanona eo amboniny; Ianao no mitarika azy eo aloha amin’ny andry rahona nony andro ary amin’ny andry afo nony alina. Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Ianao dia hiteny ny Jentilisa izay nandre ny lazanao hoe: Satria tsy zakan’NY TOMPO ny mitondra iny firenena iny ho any amin’ny tany izay nianianany taminy homena azy dia naringany tany an-tany efitra! Koa ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben’ny herin’NY TOMPO, araka ilay teninao hoe: Mahari-po NY TOMPO sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika. Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ity firenena ity araka ny halehiben’ny famindramponao sy araka ny namelanao ny helok’ity firenena ity hatrany Ejipta ka mandraka ankehitriny. Dia hoy NY TOMPO: Efa navelako araka ny teninao izany. Kanefa raha velona koa Aho ka mameno ny tany rehetra ny voninahitry NY TOMPO, ireo lehilahy rehetra ireo izay nahita ny voninahitro sy ireo famantarako izay nataoko tany Ejipta sy tany an-tany efitra kanefa naka fanahy Ahy efa impolo kely izao ka tsy nihaino ny feoko, dia tsy hisy hahita ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy; eny, izay rehetra namingavinga Ahy dia samy tsy hahita izany. Fa ny amin’i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy ka tanteraka tamin’ny fanarahana Ahy izy, dia hoentiko ho any amin’ny tany izay efa nalehany izy ary ny taranany no handova izany. Ny Amalekita sy ny Kananita no mponina ao amin’ny lohasaha. Koa rahampitso dia miverena ianareo ka mankanesa any an-tany efitra amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’izao fiangonana ratsy mimonomonona Amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely Amiko. Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, dia araka izay nolazainareo teo an-tsofiko no hataoko aminareo: Etỳ amin’ity tany efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo. Ary ianareo rehetra izay voaisa araka ny nanisana anareo, dia izay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko, dia tsy hisy ho tonga any amin’ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone sy i Josoa, zanak’i Nona. Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy ireo no hoentiko miditra ary izy ireo no hahalala ny tany izay nolavinareo. Fa ny aminareo dia hiampatrampatra atỳ amin’ity tany efitra ity ny fatinareo; ary ny zanakareo dia hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-tany efitra nandritra ny efapolo taona ka hiharan’ny valin’ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-tany efitra. Araka ny isan’ny andro efapolo izay nisafoanareo ny tany, nefa ny andro iray hosoloana taona iray, dia araka izany no hitondranareo ny helokareo efapolo taona ka ho fantatrareo ny fandavako anareo. Izaho TOMPO efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’izao fiangonana manontolo ratsy izao, izay miangona hikomy Amiko; etỳ amin’ity tany efitra ity no hahalany ritra azy ary etỳ no hahafatesany. Ary ireo lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nahatonga ny fiangonana manontolo himonomonona tamin’i Mosesy, satria nilaza ratsy ny tany izy, ireny nilaza ratsy ny tany ireny dia matin’areti-mandringana teo anatrehan’NY TOMPO. Fa i Josoa, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefone, kosa, izay isan’ireo lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany. Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely rehetra izany teny izany ka nalahelo terỳ ny olona. Ary nifoha vao maraina izy dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra ka niteny hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO, fa efa nanota izahay! Dia hoy i Mosesy: Nahoana no mandika ny didin’NY TOMPO ianareo? Tsy hahomby izany. Aza miakatra satria tsy momba anareo NY TOMPO mba tsy ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo. Fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo ka ho lavon-tsabatra ianareo. Satria niala tamin’ny fanarahana NY TOMPO ianareo dia tsy homba anareo Izy. Kanjo sahisahy foana izy ireo ka niakatra teo an-tampon’ny tendrombohitra ihany; nefa i Mosesy sy ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tsy niala teo an-toby. Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, na omby na ondry aman’osy hatao fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa alatsa-dra hanalana voady, na an-tsitrapo na amin’ny fotoam-piangonanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izay manolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO dia hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo ampahefatry ny hina; ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainareo ny fanatitra dorana manontolo, na ny fanatitra hafa alatsa-dra, miaraka amin’ny zanak’ondry tsirairay. Ho fanampin’ny ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo ampahatelon’ny hina, no haterinao ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ary divay ampahatelon’ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Ary raha manolotra omby ho fanatitra dorana manontolo na ho fanatitra hafa alatsa-dra, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO ianao, dia fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa no hatolotrao ho fanampin’ny omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo antsasaky ny hina; ary divay antsasaky ny hina no hatolotrao ho fanatitra aidina, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Izany no ampombaina ny omby tsirairay, na ny ondrilahy tsirairay, na ny zanak’ondry tsirairay, na ny zanak’osy tsirairay. Tahaka izany no hataonareo amin’izy rehetra, araka ny isan’ny zavatra atolotrareo. Ny tompon-tany rehetra dia samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izy. Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izy, dia araka izay ataonareo no hataony. Ary ny amin’ny fiangonana dia lalàna iray ihany no ho aminareo sy izay mpifindra monina eo aminareo koa, dia lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany; tsy hisy hafa eo anatrehan’NY TOMPO na ianareo na ny mpifindra monina. Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany izay itondrako anareo ianareo ka hihinana mofo avy amin’ny vokatry ny tany dia atokàny izay ho an’NY TOMPO. Hanokana mofo iray izay hatao amin’ny voalohan’ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin’ny famoloana no hanokananareo izany. Ny voalohan’ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’NY TOMPO hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Raha manota tsy nahy ianareo ka tsy nahatanteraka ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy, dia izay rehetra nandidian’NY TOMPO anareo tamin’ny alalan’i Mosesy, hatramin’ny andro izay nanaovan’NY TOMPO izany didy izany ka hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ary natao tsy nahy izany ota izany ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana manontolo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota. Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka havela ny helony satria natao tsy nahy izany; hanolotra ny fanatiny izy, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny fanatiny, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny ota tsy nahy nataony. Dia havela ny heloky ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, mbamin’izay mpifindra monina eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy. Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’NY TOMPO ka havela ny helony. Lalàna iray ihany no hatao amin’izay manota tsy nahy, na amin’ny tompon-tany eo amin’ny Zanak’Israely izany, na amin’ny mpifindra monina eo aminareo. Fa ny olona izay manota amin’ny fanahy iniana kosa, na tompon-tany na mpifindra monina, dia manamavo NY TOMPO izy ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. Fa ny tenin’NY TOMPO no nohamavoiny ary ny lalànany no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ary ny helony dia ho aminy ihany. Raha tany an-tany efitra ny Zanak’Israely dia nisy lehilahy iray tratra nanangona kitay hazo tamin’ny andro Sabata. Ary ireo nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana manontolo. Dia nambenana Ralehilahy satria tsy mbola fantatra mazava izay hatao aminy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Hovonoina ho faty izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ny toby ny fiangonana manontolo. Dia namoaka azy ho eny ivelan’ny toby ny fiangonana manontolo ka nitora-bato azy, dia maty izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ihany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely ka asaivo asiany morontongony ny sisin’ny fitafiany, hatramin’ny taranany fara aman-dimby; aoka hasiany kofehy manga eo amin’io morontongotr’akanjony io. Ho toy izany ny morontongotr’akanjonareo, koa rehefa jerenareo izany dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’NY TOMPO rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana. Hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra ka ho masina ho an’Andriamanitrareo ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ary nitsangana nanohitra an’i Mosesy i Kora, zanak’i Jizara, zanak’i Kehata, zanak’i Levy sy i Datana, ary i Abirama, zanak’i Eliaba, sy i Ona, zanak’i Peleta, izay samy taranak’i Robena, niaraka tamin’ny dimampolo sy roanjato lahy tamin’ny Zanak’Israely, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona izay voaantso teo amin’ny fiangonana sady nanan-daza. Nitambatra hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Ampy izay! Masina ny fiangonana manontolo, sady NY TOMPO no eo aminy. Koa nahoana ianareo no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’NY TOMPO? Raha nandre izany i Mosesy dia niankohoka tamin’ny tany ka niteny tamin’i Kora sy ireo namany rehetra hoe: Rahampitso dia hasehon’NY TOMPO izay Azy sy izay masina ka havelany hanakaiky Azy; koa izay fidiny no havelany hanakaiky Azy. Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo antokony rehetra: Mitondrà fitondrana afo, rahampitso, dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy! Dia hoy koa i Mosesy tamin’i Kora: Henoy, ry taranak’i Levy: Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan’Andriamanitr’Israely anareo tamin’ny fiangonan’ny Israely ka namelany anareo hanakaiky Azy mba hanaovanareo ny fanompoana momba ny tabernakelin’NY TOMPO sy hijoroanareo eo anatrehan’ny fiangonana hanompo azy? Navelany hanakaiky Azy ianao sy ireo rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, dia mbola mitady ho mpisorona mihitsy koa va ianareo? Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo? Ary i Mosesy dia nampiantso an’i Datana sy i Abirama, zanak’i Eliaba. Hoy anefa izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay! Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely ka hahafaty anay atỳ an-tany efitra atỳ no dia milaza anao ho lehibenay koa ianao? Ary ianao dia tsy nitondra anay akory ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay, koa hopotsirinao ary va ny mason’ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay! Dia tezitra indrindra i Mosesy ka niteny tamin’NY TOMPO hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Ianao. Tsy naka taminy aho na dia boriky iray akory aza ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ny iray aminy akory aza aho. Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: Aoka ianao sy ny antokonao rehetra ho tonga eo anatrehan’NY TOMPO rahampitso, dia ianao sy ireo namanao ary i Arona. Ary samia maka ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ka asio ditin-kazo manitra ao anatiny ary samia mitondra ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’NY TOMPO, fitondrana afo dimampolo sy roanjato; ianao sy i Arona dia samy hitondra ny fitondrany afo avy. Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy i Arona. Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Mihataha amin’ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy ka niteny hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota dia ho tezitra amin’ny ny fiangonana manontolo va Ianao? Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mitenena amin’ny fiangonana hoe: Mihataha tsy hanodidina ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datana sy i Abirama; ary nanaraka azy ireo ny loholon’ny Israely. Dia niteny tamin’ny fiangonana izy hoe: Mialà amin’ny tranolain’ireo olon-dratsy ireo ary aza mikasika izay rehetra azy akory, fandrao haringana noho ny fahotany rehetra koa ianareo. Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Ary nivoaka i Datana sy i Abirama ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy, niaraka tamin’ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo zanany madinika. Dia hoy i Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa NY TOMPO no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ny saiko izany: Raha maty toy ny fahafatesan’ny olona rehetra ireo olona ireo na mahazo famaliana sahala amin’ny olona rehetra dia tsy NY TOMPO no naniraka ahy. Fa raha hanao zavatra vaovao kosa NY TOMPO ka hisokatra ny tany ary hitelina azy ireo mbamin’izay azy rehetra ary ho latsaka velona any amin’ny fitoeran’ny maty izy dia ho fantatrareo fa efa nanamavo NY TOMPO ireo lehilahy ireo. Rehefa tapitra voalazany izay teny rehetra izay dia nivava ny tany izay teo ambanin’iretsy; eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra. Dia nidina velona ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra; nikatona taminy ny tany ka fongotra tsy ho eo amin’ny fiangonana intsony izy ireo. Ary ny Israely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy ireo: Andrao hitelina antsika koa ny tany. Ary nisy afo nivoaka avy tamin’NY TOMPO ka nandevona ireo lehilahy dimampolo sy roanjato izay nanatitra ditin-kazo manitra. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mitenena amin’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, mba hesorina teo amin’ny afo ireo fitondrana afo ary aelezo lavitra ny afo fa masina ireny. Ary ny fitondrana afon’ireo mpanota nanimba tena ireo dia anefeo takelaka manify hapetaka amin’ny alitara, fa natolony teo anatrehan’NY TOMPO ireny ka tonga masina sady ho famantarana ho an’ny Zanak’Israely koa ireny. Ary nalain’i Eleazara mpisorona ireo fitondrana afo varahina izay nanoloran’ireo olona may ireo ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely mba tsy hisy olon-kafa, afa-tsy ny taranak’i Arona ihany, no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO, fandrao ho tonga tahaka an’i Kora sy ireo antokony izy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy. Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka niteny hoe: Ianareo no nahafaty ny olon’NY TOMPO! Ary raha niangona nanohitra an’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana dia nitodika nijery ny tranolay fihaonana izy roa lahy ka indro, nanarona azy ny rahona ary niseho ny voninahitry NY TOMPO. Dia nankeo anoloan’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mialà amin’io fiangonana io handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja! Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy. Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin’ny alitara izany ary asio ditin-kazo manitra ka ento haingana eo amin’ny fiangonana ary manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy amin’NY TOMPO ny fahatezerana ary efa miantomboka ny areti-mandringana. Dia nalain’i Arona araka izay nandidian’i Mosesy izany ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana. Dia nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona. Dia nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy ka nitsahatra ny areti-mandringana. Ary izay efa matin’ny areti-mandringana dia fitonjato sy efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’i Kora. Ary niverina ho eo amin’i Mosesy teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Arona, dia nitsahatra ny areti-mandringana. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely ka analao tehina iray avy araka ny fokony izy, koa ny lehiben’ny fokony rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa amby folo. Samy soraty eo amin’ny tehiny avy ny anaran’izy rehetra. Fa ny anaran’i Arona no hosoratanao amin’ny tehin’i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ny lohan’ny fianakaviany. Dia hataonao ao amin’ny tranolay fihaonana ireo, eo anoloan’ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo. Ary ny tehin’ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka ka hampanginiko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely Amiko, izay imonomononany aminareo. Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy ka samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany ary ny lohan’ny fokony, dia tehina roa amby folo; ary ny tehin’i Arona no teo afovoan’ireo tehiny ireo. Dia napetrak’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO, tao amin’ny tranolain’ny Vavolombelona, ireo tehina ireo. Nony ampitso dia niditra tao amin’ny tranolain’ny Vavolombelona i Mosesy ary indro, nitsimoka tokoa ny tehin’i Arona, izay ho an’ny taranak’i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amanda masaka. Dia noentin’i Mosesy niala eo anatrehan’NY TOMPO ny tehina rehetra, ho eo amin’ny Zanak’Israely rehetra ka nijery izy ireo ary samy nandray ny tehiny avy. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Avereno ho eo anoloan’ny Vavolombelona ny tehin’i Arona, hotahirizina mba ho famantarana ho an’ireo taranaka mpikomy, dia hatsahatrao hiala Amiko ny fimonomononany mba tsy hahafaty azy ireo. Dia notanterahin’i Mosesy izany; araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony. Dia niteny tamin’i Mosesy ny Zanak’Israely hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay; eny, ringana avokoa izahay rehetra! Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’NY TOMPO! Ho tapitra maty va izahay? Ary hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Ianao sy ireo zanakao ary ny taranaky ny rainao miaraka aminao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ireo zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloky ny fisoronanareo. Ary ireo rahalahinao avy amin’ny fokon’i Levy izay fokon’ny razanao koa dia ento miaraka aminao mba hikambana aminao izy ireo ka hanompo anao; fa ianao sy ireo zanakao no ho eo anoloan’ny tranolain’ny Vavolombelona. Dia hitandrina ny anjara raharahanao sy ny anjara raharaha rehetra momba ny tranolay izy ireo; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakaikeziny, fandrao ho faty izy ireo sy ny tenanareo koa. Dia hikambana aminao izy ireo ka hitandrina ny anjara raharaha momba ny tranolay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny tranolay. Tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo. Dia hotandremanareo ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara raharaha momba ny alitara mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’Israely intsony. Ary indro Aho efa naka ireo levita rahalahinareo avy tamin’ny Zanak’Israely; omena anareo izy ireo ho fanomezana ho an’NY TOMPO mba hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana. Fa ianao sy ireo zanakao miaraka aminao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ny zavatra rehetra mikasika ny alitara sy ny ao anatin’ny efitra lamba satria fanompoana omeko anareo ny fisoronana. Ny olon-kafa izay manakaiky kosa dia hovonoina. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Arona hoe: Indro Aho efa nanome ho anjaranao ny fitandremana ireo fanomezana ho Ahy, dia ireo zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anjaranao sy ireo zanakao izany ka ho lalàna maharitra. Izao no ho anao amin’ireo zavatra masina indrindra, avy amin’ny fanatitra izay tsy nolevonina tamin’ny afo: Ny fanatitra rehetra izay atolony ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ho fanatitra noho ny ota ary ho fanati-panonerana izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ireo zanakao izany. Amin’ireo zavatra masina indrindra no hihinananareo; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy; ho masina ho anao izany. Izao koa no anjaranao: Ny anjara nalaina avy tamin’ny zavatra nomeny ho fanatitra dia ny fanatitra asandratra rehetra izay atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy koa izany ho lalàna maharitra. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. Izay rehetra tsara indrindra amin’ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay atolony ho an’NY TOMPO, dia efa nomeko anao koa. Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hatolony ho an’NY TOMPO, dia ho anao. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana aminy. Ny zavatra voaozona rehetra ao amin’ny Israely dia ho anao. Ny voalohan-teraka rehetra, izay atolony ho an’NY TOMPO, na olona izany na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny olona, ary havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto. Ny amin’ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay anombanana azy, dia sekela dimy na gera roapolo, araka ny sekela masina. Fa ny voalohan-teraky ny omby na ny voalohan-teraky ny ondry na ny voalohan-teraky ny osy kosa dia tsy mba havotanao, fa masina ireny. Ny rany dia hafafinao amin’ny alitara ary ny jaborany dia hodoranao ho fofona, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratrany nasandratra sy tahaka ny feny havanana. Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ny zava-masina atolotry ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia efa nomeko anao miaraka amin’ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy ho anjarany; lalàna maharitra izany, dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’NY TOMPO, ho anao sy ireo zanakao miaraka aminao. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin’ny tanin’ireo ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo anivon’ny Zanak’Israely. Indro, efa nomeko ny taranak’i Levy ho fananany ny fahafolonkarena rehetra amin’ny Israely noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ny tranolay fihaonana. Tsy mahazo manakaiky ny tranolay fihaonana intsony ny Zanak’Israely, fandrao meloka izy ka maty. Fa ny levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana ary izy ireo no hitondra ny helony; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo hatramin’ny taranaka fara aman-dimby izany, fa tsy hanan-tany ho lova eo amin’ny Zanak’Israely izy. Fa ny fahafolonkarenan’ny Zanak’Israely, izay atolony ho fanomezana ho an’NY TOMPO, dia efa nomeko ho an’ny taranak’i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ny Zanak’Israely izy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena indray amin’ny levita hoe: Rehefa raisinareo avy amin’ny Zanak’Israely io fahafolonkarena io, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo indray ny ampahafolon’izany ho fanomezana ho an’NY TOMPO. Ary izany fanomezana izany dia hisaina ho anareo toy ny fanomezana nalaina avy amin’ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ny famiazana. Toy izany koa no hanokananareo fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’ny fahafolonkarenanareo rehetra, izay horaisinareo avy amin’ny Zanak’Israely; avy amin’izany no hanateranareo ho an’NY TOMPO, dia ho an’i Arona mpisorona. Avy amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanokananareo ny fanomezana rehetra ho an’NY TOMPO, avy amin’izay rehetra tsara indrindra ka natokana avy aminy. Ary lazao aminy hoe: Rehefa maka ny tsara indrindra avy amin’izany ianareo dia hisaina ho an’ny levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy avy eo amin’ny famiazana izany. Dia mahazo mihinana izany na aiza na aiza ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany, anjara noho ny fanompoanareo ao amin’ny tranolay fihaonana. Tsy hahazoanareo heloka ireny raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy mandoto ny zava-masina aterin’ny Zanak’Israely ianareo ka tsy ho faty. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Izao no lalàna hotandremana, dia izay nandidian’NY TOMPO: Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hitondra vantotra ombivavy mena iray, izay tsy misy kilema na tsiny sady mbola tsy nasiana zioga. Omeo an’i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina hoentina eny ivelan’ny toby ka hovonoina eo anatrehany. Dia hanalan’i Eleazara mpisorona amin’ny fanondrony ny rany ka hafafiny impito manandrify ny tranolay fihaonana. Hodorana eo imasony ilay vantotra ombivavy ka ny hodiny sy ny henany ary ny rany mbamin’ny tain-drorohany dia hodorana avokoa. Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hisopa ary jaky ka hanipy izany eo afovoan’ny afo andoroana ny vantotra ombivavy. Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary handro amin’ny rano izy; avy eo dia hankao amin’ny toby izy, nefa haloto mandra-paharivan’ny andro ilay mpisorona. Izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro koa. Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay vantotra ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ny toby, eo amin’izay toerana madio, dia hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely izy io ho rano fanadiovana. Fanatitra fanadiovana izany. Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotra ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy. Ho lalàna maharitra ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina eo aminy izany. Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny hafitoana. Hanadio ny tenany amin’izany rano izany izy amin’ny andro fahatelo, ary amin’ny andro fahafito vao hadio; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo kosa izy dia tsy hadio amin’ny andro fahafito. Izay rehetra mikasika faty, olona maty izany, ka tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny tabernakelin’NY TOMPO ka hofongorana tsy ho amin’ny Israely. Satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy dia haloto; mbola eo aminy ihany ny fahalotoany. Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin’ny tranolay dia haloto hafitoana. Ny fanaka rehetra misokatra, izay tsy misy rakotra mifehy aminy, dia haloto. Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana. Dia hakana ho an’ny voaloto ny lavenon’ilay nodorana ho fanatitra fanadiovana ary hatao eo amin’ny lovia nasiana rano nalaina tamin’ny rano mandeha. Dia haka hisopa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana. Ary ilay madio dia hamafy rano an’ilay voaloto amin’ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany izy amin’ny andro fahafito ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano, ary hadio rehefa hariva. Fa ny olona izay voaloto kosa ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonana satria nandoto ny fitoerana masin’NY TOMPO izy; tsy nafafy taminy ny rano fanadiovana, koa maloto izy. Ho lalàna maharitra ho anareo izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Tamin’ny volana voalohany dia tonga tao an-tany efitra Zina ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Maty tao i Miriama ka nalevina tao. Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana ka nitangorona mba hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo. Nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Tahaka izay izahay mba maty tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’NY TOMPO! Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’NY TOMPO ho amin’ity tany efitra ity ianareo mba hahafaty anay sy ny ombinay eto? Ary nahoana izahay no noentinareo niakatra avy tany Ejipta ka nampidirinareo atỳ amin’ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy na voaloboka na ampongabendanitra akory sady tsy misy rano hosotroina? Dia niala teo anatrehan’ny fiangonana i Mosesy sy i Arona ka nankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ary niankohoka tamin’ny tany. Dia niseho taminy ny voninahitry NY TOMPO. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Alao ny tehina ka vorionao sy i Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony dia hanome ny ranony izy; hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy tokoa ianao ka hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny izany. Dia nalain’i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’NY TOMPO, araka izay nandidiany azy. Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? Ary nanainga ny tanany i Mosesy ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny. Dia niboiboika be dia be ny rano ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy nanamasina Ahy teo imason’ny Zanak’Israely dia tsy hitondra izao fiangonana izao hiditra ho any amin’ny tany izay nomeko azy ianareo. Ity no ranon’i Meriba izay nilan’ny Zanak’Israely ady tamin’NY TOMPO ka nisehoan’NY TOMPO ho masina taminy. Ary nandefa iraka avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hilaza hoe: Izao no lazain’Israely rahalahinao: Ianao dia mahafantatra ny fahasahiranana rehetra izay nanjo anay, dia ny nidinan’ny razanay tany Ejipta sy ny nitoeranay ela tany. Nampahory anay sy ny razanay anefa ny Ejiptiana. Ary raha nitaraina tamin’NY TOMPO izahay dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely sy namoaka anay avy tany Ejipta; ary indreto, tonga eto Kadesy, izay tanàna eto amin’ny tendron’ny taninao, izahay; koa avelao mba handeha hamakivaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamakivaky ny saha sy ny tanim-boaloboka na hisotro ny rano amin’ny vovo fantsakana akory izahay, fa ny Lalan’andriana ihany no halehanay ka tsy hivily izahay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia mandra-pihoatranay ny sisintaninao. Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamakivaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho. Dia hoy ny Zanak’Israely taminy: Ny lalambe ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ondriko dia hefaiko vola izany; fa zavatra tsotra ihany: Tsy hanao na inona na inona aho fa handalo an-tongotra fotsiny ihany. Hoy anefa ny navaliny: Tsy mahazo mandalo eto ianao! Ary niainga hisakana azy ny Edomita ka nitondra vahoaka betsaka sady nampiseho hery be. Toy izany no nandavan’ny Edomita tsy hamela ny Israelita hamakivaky ny taniny ka nivily niala taminy ny Zanak’Israely. Dia niala tao Kadesy ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hora. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy tamin’i Arona tao amin’ny tendrombohitra Hora, tao amin’ny faritanin’i Edoma hoe: Hangonina any amin’ny razany i Arona; fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Zanak’Israely izy satria nandà ny teniko teo amin’ny ranon’i Meriba ianareo. Alao i Arona sy i Eleazara zanany ka ento miakatra ao amin’ny tendrombohitra Hora izy mianaka. Esory ny fitafian’i Arona ka atafio an’i Eleazara zanany. Ary hangonina any amin’ny razany i Arona; any no hahafatesany. Ary nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO i Mosesy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Hora, teo imason’ny fiangonana manontolo, izy telo mianaka. Dia nesorin’i Mosesy ny fitafian’i Arona ka natafiny an’i Eleazara zanany, dia maty tao an-tampon’ny tendrombohitra i Arona. Ary nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy sy i Eleazara. Nony hitan’ny fiangonana manontolo fa maty i Arona dia nitomany azy nandritra ny telopolo andro izy, dia ny taranak’Israely rehetra. Rehefa ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada, izay nonina tany Negeva, fa mandeha amin’ny lalana mankany Atarima ny Israely, dia niady taminy izy ka noentiny ho babo ny sasany tamin’ny Israely. Dia nivoady tamin’NY TOMPO ny Israely ka niteny hoe: Raha atolotrao eo an-tananay tokoa io firenena io dia hataonay zavatra voaozona avokoa ny tanànany. Ary NY TOMPO nihaino ny feon’ny Israely ka natolony azy ny Kananita. Dia nataon’ny Israely ho zavatra voaozona izy ireo sy ny tanànany; koa ny anaran’izany tany izany dia natao hoe Horma na Ozona. Niala tany an-tendrombohitra Hora indray izy ireo ka nihazo ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma. Dia kivy teny an-dalana ny olona. Dia niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Mosesy izy hoe: Nahoana no noentinao niakatra avy tany Ejipta ho faty atỳ an-tany efitra izahay? Tsy misy mofo na rano atỳ, ary leon’itony mofo tsy izy itony izahay. Ary NY TOMPO nampandeha menarana mandoro teny amin’ny olona; nanaikitra ny olona ireny ka nahafatesana be tamin’ny Israely. Dia nankeo amin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanohitra NY TOMPO sy ianao. Ifony amin’NY TOMPO izahay mba hanesorany ny menarana hiala aminay. Dia nifona ho an’ny olona i Mosesy. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova menarana varahina ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra ka mijery izany dia ho velona. Dia nanao menarana varahina i Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava; koa izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona. Dia niainga ny Zanak’Israely ka nitoby tao Obota. Rehefa niala tao Obota izy dia nitoby tao Ie-Abarima, tany amin’ny tany efitra izay mifanolotra amin’i Moaba, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro. Nony niala tao izy ireo dia nitoby tao amin’ny lohasahan-driaka Zereda. Ary niala tao dia nilasy tany andafin’i Arnona, izay any amin’ny tany efitra sady mivoaka avy ao amin’ny faritanin’ny Amorita; fa ny ranon’i Arnona no mamaritra ny sisintanin’ny Moabita, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amorita. Koa izany no ilazana ao amin’ny Bokin’ny Adin’NY TOMPO hoe: I Vaheba any Sofa sy ireo lohasahan-driaka, i Arnona, ary ny hantsana manamorona ny lohasahan-driaka, izay mivily mankany amin’ny tanin’i Ara ka mipaka any amin’ny sisintanin’i Moaba. Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lava-drano fantsakana nilazan’NY TOMPO tamin’i Mosesy hoe: Angony ny olona fa homeko rano izy. Dia nanao izao hira izao ny Israely: Aoka hiboiboika ianao, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy! Lavaka fantsakana izay nohadin’ireo olo-manankaja, nohadin’ireo manankaja amin’ny firenena tamin’ny tehiny, dia ireo tehiny fanapahana! Nony niala tany Matana izy ireo dia nankany Nahaliela; nony niala tany Nahaliela dia nankao Bamota; nony niala tany Bamota dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny tany Moaba, ao an-tampon’i Pisga, izay manatrika ny tany efitra. Nandefa iraka ho any amin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, ny Israely mba hilaza hoe: Avelao izahay mba handeha hamakivaky ny taninao, fa tsy hivily ho any amin’ny saha na ho amin’ny tanim-boaloboka izahay ary tsy hisotro ny rano amin’ny lavaka fantsakana; ny Lalan’andriana ihany no halehanay mandra-pihoatranay ny sisintaninao. Nefa tsy namela ny Israely handeha hamakivaky ny taniny i Sihona fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka niainga hikatroka tamin’ny Israely tany an-tany efitra, dia nankany Jahaza ary niady tamin’ny Israely. Ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ny Israely ka nahazo ny taniny hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, dia hatrany amin’ny taranak’i Amona; fa nisy manda mafy ny sisintanin’ny taranak’i Amona. Dia nalain’ny Israely ireny tanàna rehetra ireny. Nonenan’ny Israely ny tanànan’ny Amorita rehetra, dia i Hesbona sy ireo vohitra miankina aminy rehetra. I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona. Izany no nilazan’ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo! Aoka hatsangana indray sy hatao mafy orina ny tanànan’i Sihona; fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sihona ka nandevona an’i Ara-Moaba sy ireo tompon’ny havoana any Arnona. Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’i Kemosy! Nafoiny ho mpandositra ny zanany lahy ary navelany ho babo ny zanany vavy, ho an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita. Notifirintsika tamin’ny zana-tsipìka izy; ringana i Hesbona hatrany Dibona; nolevonintsika izy hatrany Nofa ka hatrany Medeba. Dia nonina tao amin’ny tanin’ny Amorita ny Israely. Ary naniraka mpisafo tany ho any Jazera i Mosesy; ary naka ireo vohitra miankina aminy ny Israely ka nandroaka ny Amorita izay tany. Ary niverina izy ireo ka niakatra tamin’ny lalana mankany Basana. Dia niainga i Oga, mpanjakan’i Basana, hifanehatra aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra mba hiady tao Edirehy. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; hataonao aminy araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona. Dia namely azy sy ny zanany lahy ary ny vahoakany rehetra izy ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, dia azony ny taniny. Niainga indray ny Zanak’Israely ka nitoby tany amin’ireo tany lemaka ngazana tany Moaba, tany andafin’i Jordana, tandrifin’i Jeriko. Ary i Balaka, zanak’i Zipora, dia nahita izay rehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita. Raiki-tahotra indrindra ny Moabita teo anatrehan’ny olona satria maro be izy; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’Israely. Dia hoy izy tamin’ny loholon’ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto, tahaka ny firaokan’ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. I Balaka zanak’i Zipora moa no mpanjakan’i Moaba tamin’izany fotoana izany. Dia nandefa iraka izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny ony Eofrata, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hiantso azy ka hilaza hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Ejipta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby mifanandrify amiko. Koa ankehitriny, mba mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io, fa mahery noho izaho izy; asa angamba mba hahazo hamely azy isika ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy ary izay ozoninao dia voaozona. Dia nandeha ireo loholon’ny Moabita sy ireo loholon’ny Midianita nitondra ny saran’ny fanaovana sikidy teny an-tanany. Dia nankany amin’i Balama izy ireo ka nilaza taminy ny tenin’i Balaka. Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba. Ary Andriamanitra nankao amin’i Balama ka niteny hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo? Dia hoy i Balama tamin’Andriamanitra: I Balaka, zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, no nandefa iraka tatỳ amiko ka niteny hoe: Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Ejipta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy. Ary hoy Andriamanitra tamin’i Balama: Aza mandeha miaraka aminy na manozona izany firenena izany fa voatahy izy. Dia nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo fa tsy avelan’NY TOMPO handeha hiaraka aminareo aho. Dia niainga ireo andriandahin’i Moaba ka tonga tany amin’i Balaka ary nilaza hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay i Balama. Ary mbola naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo i Balaka. Dia tonga tao amin’i Balama ireny ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’i Balaka, zanak’i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko; fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa miangavy anao, mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io! Namaly an’ireo mpanompon’i Balaka anefa i Balama hoe: Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO Andriamanitro na handatsaka na hampihoatra. Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina mba ho fantatro izay mbola holazain’NY TOMPO amiko. Nony alina dia nankao amin’i Balama Andriamanitra ka niteny taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao. Dia nifoha maraina i Balama ka nanisy lasely ny borikiny, ary nandeha niaraka tamin’ireo andriandahin’i Moaba. Nirehitra taminy anefa ny fahatezeran’Andriamanitra satria nandeha izy; ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo an-dalana mba hisakana azy. Ary i Balama dia nitaingina ny borikiny ary niaraka taminy ny zatovony roa lahy. Dia hitan’ny boriky nijoro teo amin’ny lalana ilay Anjelin’NY TOMPO sady nitana ny sabany efa voatsoaka teny an-tanany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha. Dia nikapoka ny boriky i Balama mba hampiverina azy ho amin’ny lalana. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijanona tao amin’ny lalan-tery teo anelanelan’ny tanim-boaloboka; nisy fefy teo an-daniny roa. Ary nahita ilay Anjelin’NY TOMPO ny boriky dia niampify teo amin’ny rindrina ka nanery ny tongotr’i Balama tamin’ny rindrina. Dia nikapoka azy indray izy. Dia mbola nandroso ilay Anjelin’NY TOMPO ka nijanona teo amin’ny toerana ety, izay tsy nisy hiviliana, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia. Ary nahita ilay Anjelin’NY TOMPO ny boriky ka nandry teo ambanin’i Balama. Dia nirehitra ny fahatezeran’i Balama ka nikapoka ny boriky tamin’ny tehina izy. Dia nosokafan’NY TOMPO ny vavan’ny boriky ka hoy ny boriky tamin’i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao fanintelony aho izao? Dia hoy i Balama tamin’ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao! Raha izao no nisy sabatra tetỳ an-tanako dia matiko mihitsy ianao ankehitriny. Ary hoy ny boriky tamin’i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia! Dia nampahiratin’NY TOMPO ny mason’i Balama hahita ilay Anjelin’NY TOMPO mijoro eo an-dalana sady mitana ny sabany efa voatsoaka eny an-tanany; dia niondrika tamin’ny tany i Balama. Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao? Indro Aho no niainga mba hisakana anao satria hitako fa mivarina amin-doza ny lalanao. Nahita Ahy ny boriky dia nidify Ahy intelo; raha tsy nidify Ahy izy dia ianao mihitsy no nataoko maty, fa izy kosa dia ho novelomiko! Dia hoy i Balama tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Efa nanota aho satria tsy fantatro fa Ianao no nijoro nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izao diako izao, dia hiverina aho! Hoy anefa ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha i Balama niaraka tamin’ireo andriandahin’i Balaka. Nony ren’i Balaka fa tonga i Balama dia niainga izy mba hitsena azy teo amin’ilay tanànan’i Moaba, teo amoron’i Arnona izay mamaritra ny sisintaniny. Ary hoy i Balaka tamin’i Balama: Tsy efa nandefa iraka tany aminao nampaka anao tokoa va aho? Koa nahoana no tsy nankaty amiko ianao? Tena tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao? Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa moa mahazo milaza na inona na inona va aho? Ny teny izay hataon’Andriamanitra ato am-bavako, dia izany ihany no holazaiko. Dia nandeha niaraka tamin’i Balaka i Balama ka tonga tany Kiriata-Hozota izy roa lahy. Ary namono omby sy ondry aman’osy i Balaka ka nisy nampanateriny ho an’i Balama sy ireo andriandahy izay teo aminy. Nony maraina dia nalain’i Balaka i Balama ka noentiny niakatra ho ao Bamota-Baala, ary tazany avy teo ny tapany amin’ny toby. Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy ka manomàna vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito eto. Dia narahin’i Balaka izay efa nolazain’i Balama; ary nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay i Balaka sy i Balama ho fanatitra dorana manontolo. Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eo anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho kosa dia handeha; angamba ho avy hitsena ahy NY TOMPO; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra iray mangadihady izy. Ary Andriamanitra nitsena an’i Balama; dia hoy i Balama Taminy: Efa namboariko ny alitara fito ary efa nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho. Ary NY TOMPO nanisy teny teo am-bavan’i Balama ka niteny hoe: Miverena any amin’i Balaka ka toy izany no holazainao. Dia niverina tany amin’i Balaka izy ary indro, nijoro teo anilan’ny fanatitra dorany izy, dia izy sy ireo andriandahin’i Moaba rehetra. Dia nilaza ny oha-teniny i Balama ka niteny hoe: I Balaka dia nampaka ahy avy tany Arama, ny mpanjakan’i Moaba dia nampaka ahy avy tany amin’ny tendrombohitra atsinanana: Avia ka ozòny i Jakoba! Mankanesa atỳ ka anamparo ny fahatezeranao Israely! Hataoko ahoana no ho fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no ho tezitra amin’izay tsy nitezeran’NY TOMPO? Fa avy eto an-tampon’ny vatolampy no ahitako azy ary avy eto amin’ny havoana no itazanako azy. Indro, firenena mitoka-monina izy ary tsy hatao ho isan’ny Jentilisa. Iza no mahaisa ny vovok’i Jakoba na ny isan’ny ampahefatry ny Israely akory? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ny olo-marina ny fahafatesako ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy! Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao! Dia namaly izy hoe: Tsy izay napetraky NY TOMPO tao am-bavako va no hotandremako ka tsy maintsy holazaiko? Dia hoy i Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ny toerana hafa izay hahatazananao azy; kanefa ny tapany ihany no ho hitanao eo fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra, koa ozòny avy eo izy! Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima, tao an-tampon’i Pisga izy; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay. Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eto anilan’ny fanatitra dorana manontolo atolotrao, fa izaho dia hankerỳ hihaona amin’NY TOMPO. Ary NY TOMPO nitsena an’i Balama dia nanisy teny teo am-bavany hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao. Nony tonga tany aminy izy dia indreo, teo anilan’ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy i Balaka taminy: Ahoana no nolazain’NY TOMPO? Dia nilaza ny oha-teniny i Balama hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa! Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’i Zipora! Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina. Moa efa nilaza va Izy nefa tsy nanatanteraka? Na efa niteny va Izy ka tsy notoviny? Indro, ny hitahy no nomena hataoko; ary efa nitahy Izy ka tsy mahaova izany aho. Tsy mahita faharatsiana eo amin’i Jakoba Izy ary tsy mahatsikaritra fahoriana eo amin’Israely; NY TOMPO Andriamaniny no momba azy; hoby fanao amin’andriana no re eo aminy. Noentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy ary manan-kery toy ny ombimanga. Tsy misy fisikidiana eo amin’i Jakoba ary tsy misy fanandroana eo amin’Israely. Fa amin’ny fotoanany no hilazana amin’i Jakoba sy Israely ny asa izay ataon’NY TOMPO. Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany haza sy mandra-pisotrony ny ran’ny voavono. Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Rehefa tsy hanozona azy ihany ianao dia aza mitsodrano azy! Fa namaly an’i Balaka kosa i Balama hoe: Tsy efa nilaza taminao va aho hoe: Izay rehetra holazain’NY TOMPO ihany no hataoko? Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Andeha hoentiko amin’ny toerana hafa indray ianao; angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy avy any! Ary noentin’i Balaka ho ao an-tampon’i Peora, izay manatrika ny tany efitra, i Balama. Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy ka manamboara vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito. Ary nanatanteraka izay efa nolazain’i Balama i Balaka ka nanatitra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay. Rehefa hitan’i Balama fa sitraky NY TOMPO ny hitahy ny Israely dia tsy nandeha hanao sikidy tahaka ny teo aloha intsony izy fa nitodika nanatrika ny tany efitra fotsiny. Dia natopin’i Balama ny masony ka nahita ny Israely mitoby araka ny fokony avy izy. Ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama. Dia nilaza ny oha-teniny izy hoe: Hoy i Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay nampahiratina ny masony, hoy ilay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony: Endre ny hatsaran’ny tranolainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Israely ô! Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. Mikoriana avy amin’ny sininy ny rano ary ny voa afafiny dia tondrahin’ny rano betsaka. Hisandratra noho i Agaga ny mpanjakany ary handroso voninahitra ny fanjakany. Noentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy ary manan-kery toy ny ombimanga. Handany ny Jentilisa fahavalony izy ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ny zana-tsipìkany izy. Mamitsaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, koa iza no hampitsangana azy? Hotahina anie izay manisy soa anao ary ho voaozona anie izay manozona anao! Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao! Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ny fonenanao ianao! Efa nilaza aho hoe: Hanome voninahitra anao tokoa aho; kanefa indro NY TOMPO efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra. Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ireo irakao izay nirahinao tany amiko va aho hoe: Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO, na hanao soa na hanao ratsy avy amin’ny saiko, fa izay holazain’NY TOMPO ihany no holazaiko? Ankehitriny, indro, handeha ho any amin’ny fireneko aho, dia aoka aho hampahafantatra anao ny amin’izay hataon’ity firenena ity amin’ny vahoakanao amin’ny andro ho avy. Dia nilaza ny oha-teniny izy hoe: Hoy i Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay nampahiratina ny masony; izay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony: Hitako Izy nefa tsy ankehitriny. Tazako Izy nefa tsy akaiky. Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba ary tehim-panjakana miposaka avy amin’Israely ka manapotika ny fihirifan’i Moaba sy ny karandohan’ireo mpitabataba rehetra. I Edoma sy i Seìra fahavalony dia samy lasany ary dia mandroso amin-kery Israely. Avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka ka handringana izay sisa tao an-tanàna. Nahita ny Amalekita koa izy dia nilaza ny oha-teniny hoe: Voalohany tamin’ny Jentilisa i Amaleka, kanefa ho lany ringana ny hiafarany! Ary nahita ny Kenita izy dia nilaza ny oha-teniny hoe: Mafy orina ny fonenanao ary natao eo amin’ny vatolampy ny akaninao. Kanefa ho lanin’ny afo i Kaina alohan’ny hamaboan’i Asira anao. Dia nilaza ny oha-teniny koa izy hoe: Indrisy! Iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra? Ary hisy sambo avy any amin’ny tany Kitima ka hampietry an’i Asira ary hampietry an’i Ebera, ary izy koa dia ho lany ringana mandrakizay! Dia niainga i Balama ka lasa nody tany amin’ny fonenany; i Balaka koa dia mba nandeha tany amin’izay nalehany. Ary nitoetra tao Sitima ny Israely ka nanomboka nijangajanga tamin’ny zanakavavin’ny Moabita. Fa ireo dia nanasa ny olona hihinana tamin’ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ireo andriamaniny; koa nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ireo andriamaniny ireo. Dia niray tamin’i Baala-Peora ny Israely ka nirehitra taminy ny fahatezeran’NY TOMPO. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’NY TOMPO ireo nijangajanga ireo mba hitsahatra ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely. Dia hoy i Mosesy tamin’ireo mpitsara ny Israely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Baala-Peora! Ary indro, avy ny iray tamin’ny Zanak’Israely nitondra vehivavy midianita teo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy teo imason’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Ary raha nahita izany i Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tanany. Dia nandeha nanaraka ilay lehilahy israelita tao an-day izy ary nataony indray nandefona izy roa, dia ny lehilahy israelita sy ilay vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ny kibon-dRavehivavy. Dia nitsahatra ny areti-mandringana teo amin’ny Zanak’Israely. Efatra arivo sy roa alina ireo maty tamin’ny areti-mandringana. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: I Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, no nampiala ny fahatezerako tamin’ny Zanak’Israely satria nirehitra noho ny fitiavany Ahy izy; koa tsy nataoko lany ringana ny Zanak’Israely tamin’ny firehetan’ny fahatezerako. Noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken’ny fihavanako. Izy sy ny taranany mandimby azy no hanana izany ho faneken’ny fisoronana mandrakizay satria nirehitra noho ny fitiavany an’Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an’ny Zanak’Israely. Ny anaran’ilay lehilahy israelita novonoina, izay niaraka nolefonina tamin-dRavehivavy midianita, dia Zimry, zanak’i Salo, loham-pianakaviana tamin’ny Simeonita. Ary ny anaran’ilay vehivavy midianita izay novonoina dia Kosby, zanak’i Zora, loham-pianakaviana tamin’ny Midianita. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Ataovy fahavalo ny Midianita ka tafiho; fa nandrafy anareo tamin’ny fitaka nataony izy, tamin’ny namitahany anareo tamin’ilay raharahan’i Peora sy i Kosby anabavin’ireo, zanakavavin’ny andriandahy midianita iray, izay novonoina tamin’ny andron’ilay areti-mandringana noho ny amin’i Peora. Rehefa afaka ny areti-mandringana dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona: Alao isa ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra avy amin’ny Israely azo alefa hanafika ao amin’ny Israely. Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona dia niteny taminy tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko hoe: Ny roapolo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy ny Zanak’Israely izay nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Robena, lahimatoan’Israely. Ny zanak’i Robena dia i Hanoka sy ny fianakavian’ny Hanokita; avy tamin’i Palo, ny fianakavian’ny Paloita; avy tamin’i Hezrona, ny fianakavian’ny Hezronita; avy tamin’i Karmy, ny fianakavian’ny Karmita. Ireo no fianakavian’ny Robenita; izay voaisa taminy dia telopolo sy fitonjato sy telo arivo sy efatra alina. Ny zanak’i Palo dia i Eliaba. Ny zanak’i Eliaba dia i Nemoela sy i Datana ary i Abirama. Ireo dia ilay Datana sy i Abirama, olom-boafidin’ny fiangonana, izay nila ady tamin’i Mosesy sy i Arona, teo amin’ny antokon’i Kora, raha nila ady tamin’NY TOMPO izy, kanefa nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kora, tamin’ny nahafatesan’izany antokony izany ary levon’ny afo koa ny dimampolo sy roanjato lahy ka tonga fananarana. Ireo zanak’i Kora kosa anefa dia tsy mba maty. Ny taranak’i Simeona, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Nemoela, ny fianakavian’ny Nemoelita; avy tamin’i Jamina, ny fianakavian’ny Jaminita; avy tamin’i Jakina, ny fokon’ny Jakinita; avy tamin’i Zera, ny fianakavian’ny Zerita; avy tamin’i Saoly, ny fianakavian’ny Saolita. Ireo no fianakavian’ny Simeonita, roanjato sy roa arivo sy roa alina. Ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Zefona, ny fianakavian’ny Zefonita; avy tamin’i Hagy, ny fianakavian’ny Hagita; avy tamin’i Sony, ny fianakavian’ny Sonita; avy tamin’i Ozny, ny fianakavian’ny Oznita; avy tamin’i Ery, ny fianakavian’ny Erita; avy tamin’i Aroda, ny fokon’ny Arodita; avy tamin’i Arely, ny fianakavian’ny Arelita. Ireo no fianakavian’ny zanak’i Gada, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy efatra alina. Ny zanak’i Joda dia i Era sy i Onana; kanefa i Era sy i Onana dia maty tany amin’ny tany Kanana. Ary ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Sela, ny fianakavian’ny Selita; avy tamin’i Fareza, ny fianakavian’ny Farezita; avy tamin’i Zera, ny fianakavian’ny Zerita. Ary ny taranak’i Fareza dia izao: Avy tamin’i Hezrona, ny fokon’ny Hezronita; avy tamin’i Hamola, ny fianakavian’ny Hamolita. Ireo no fianakavian’i Joda, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy enina arivo sy fito alina. Ny taranak’Isakara, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Tola, ny fianakavian’ny Tolita; avy tamin’i Pova, ny fianakavian’ny Povita; avy tamin’i Jasoba, ny fianakavian’ny Jasobita; avy tamin’i Simrona, ny fianakavian’ny Simronita. Ireo no fianakavian’Isakara, araka izay voaisa taminy, telonjato sy efatra arivo sy enina alina. Ny taranak’i Zebolona, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Sereda, ny fianakavian’ny Seredita; avy tamin’i Elona, ny fianakavian’ny Elonita; avy tamin’i Jahalela, ny fianakavian’ny Jahalelita. Ireo no fianakavian’ny Zebolonita, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy enina alina. Ny zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany, dia i Manase sy i Efraima. Ny taranak’i Manase dia izao: Avy tamin’i Makira, ny fianakavian’ny Makirita; ary i Makira no niteraka an’i Gileada; avy tamin’i Gileada, ny fianakavian’ny Gileadita. Izao no taranak’i Gileada: Avy tamin’i Jezera, ny fianakavian’ny Jezerita; avy tamin’i Heleka, ny fianakavian’ny Helekita; ary avy tamin’i Asriela, ny fianakavian’ny Asrielita; ary avy tamin’i Sekema, ny fianakavian’ny Sekemita; ary avy tamin’i Semida, ny fianakavian’ny Semidita; ary avy tamin’i Hefera, ny fianakavian’ny Heferita. Ary i Zelofada, zanak’i Hefera, dia tsy mba nanan-janakalahy fa zanakavavy ihany, ary ny anaran’ny zanany vavy dia i Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza. Ireo no fianakavian’i Manase; ary izay voaisa taminy dia fitonjato sy roa arivo sy dimy alina. Izao no taranak’i Efraima, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Sotela, ny fianakavian’ny Sotelita; avy tamin’i Bekera, ny fianakavian’ny Bekerita; avy tamin’i Tahana, ny fianakavian’ny Tahanita. Ary izao no taranak’i Sotela: Avy tamin’i Erana, ny fianakavian’ny Eranita. Ireo no fianakavian’ny taranak’i Efraima, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’i Josefa araka ny fokony. Ny taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Bela, ny fokon’ny Belita; avy tamin’i Asibela, ny fianakavian’ny Asibelita; avy tamin’i Ahirama, ny fianakavian’ny Ahiramita; avy tamin’i Sefofama, ny fianakavian’ny Sefofamita; avy tamin’i Hofama, ny fianakavian’ny Hofamita. Ary ny taranak’i Bela dia i Arda sy i Namana; dia ny fianakavian’ny Ardita, ary avy tamin’i Namàna, ny fianakavian’ny Namanita. Ireo no taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany; izay voaisa taminy dia eninjato sy dimy arivo sy efatra alina. Izao no taranak’i Dana, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Sohama, ny fianakavian’ny Sohamita. Ireo no fianakavian’i Dana, araka ny fokony. Ny fianakavian’ny Sohamita rehetra, araka izay voaisa taminy, dia efajato sy efatra arivo sy enina alina. Ny taranak’i Asera, araka ny fianakaviany dia izao: Avy tamin’i Jimna, ny fianakavian’ny Jimnita; avy tamin’i Jisvy, ny fianakavian’ny Jisvita; avy tamin’i Beria, ny fianakavian’ny Berita. Avy tamin’ny zanak’i Beria dia izao: Avy tamin’i Hebera, ny fianakavian’ny Heberita; avy tamin’i Malkiela, ny fianakavian’ny Malkielita. Ary ny anaran’ny zanakavavin’i Asera dia Sera. Ireo no fianakavian’ny taranak’i Asera, araka izay voaisa taminy, efajato sy telo arivo sy dimy alina. Ny taranak’i Naftaly, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Jaziela, ny fianakavian’ny Jazielita; avy tamin’i Gonỳ, ny fianakavian’ny Gonita; avy tamin’i Jezera, ny fianakavian’ny Jezerita; avy tamin’i Silema, ny fianakavian’ny Silemita. Ireo no fianakavian’i Naftaly araka ny fianakaviany; ary izay voaisa taminy dia efajato sy dimy arivo sy efatra alina. Ireo no voaisa tamin’ny Zanak’Israely, telopolo sy fitonjato sy arivo sy enina hetsy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Ireo izany no hizaràna ny tany ho lovany, araka ny isany. Ny maro isa dia homenao zaratany lehibe kokoa ary ny vitsy an’isa dia homenao kely kokoa; samy araka izay voaisa taminy no hanomezana ny zaratany. Hatao antsapaka anefa no hizaràna ny tany; araka ny anaran’ny fokon’ny razany no hahazoany zaratany. Dia antsapaka no hizaràna ny tany ho lovany, na ny ho an’ny maro na ny ho an’ny vitsy. Ary izao no voaisa tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Kehatita; avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Merarita. Ireto no fianakavian’i Levy: Ny fianakavian’ny Libnita, ny fianakavian’ny Hebronita, ny fianakavian’ny Mahalita, ny fianakavian’ny Mosita, ny fianakavian’ny Koraìta. Ary i Kehata dia niteraka an’i Amrama. Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Ejipta; dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy ary i Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy. Ny naterak’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. Fa maty i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanolotra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO. Ary izay voaisa taminy dia telo arivo sy roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nisaina tamin’ny Zanak’Israely izy ireo satria tsy mba nomena zaratany teo amin’ny Zanak’Israely. Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko. Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay. Fa NY TOMPO efa nilaza tamin’izy ireo hoe: Ho faty any an-tany efitra tokoa ireo. Koa tsy nisy olona sisa tamin’ireny afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Josoa, zanak’i Nona, ihany. Ary avy ireo zanakavavin’i Zelofada, zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’i Manase, zanak’i Josefa, ary izao avy no anarany: i Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza. Izy ireo dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona ary teo anatrehan’ireo lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana manontolo, teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka niteny hoe: Ny rainay dia maty tany an-tany efitra, kanefa tsy mba isan’ny antokon’i Kora izay niangona hikomy tamin’NY TOMPO akory; fa ny fahotan’izy tenany no nahafaty azy, ary tsy nanan-janakalahy izy. Nahoana ny rainay no ho maty maso eo amin’ny fianakaviany na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay. Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO ny raharahan’ireo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: Omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zaratanin’ny rainy izy. Ary lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy dia ny zanany vavy no hampandovainareo ny zarataniny. Ary raha tsy manan-janakavavy izy dia ny rahalahiny no homenareo ny zarataniny. Ary raha tsy manan-drahalahy izy dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zarataniny. Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy. Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Miakara amin’irỳ tendrombohitra Abarima irỳ ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’Israely. Ary rehefa hitanao izany dia hangonina any amin’ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’i Arona rahalahinao; fa nandà ny teniko ianareo tany an-tany efitra Zina, tamin’ilay nilan’ny fiangonana ady ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny rano teo imasony. Izany no ranon’i Meriba, any Kadesy, any an-tany efitra Zina. Ary niteny tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana ka hivoaka mialoha azy sy hiditra mialoha azy, ary hitarika azy hivoaka sy hitarika azy hiditra mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’NY TOMPO. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao i Josoa, zanak’i Nona, izay lehilahy manam-panahy ka ametraho ny tananao izy. Asaivo mijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo izy ka manomeza didy azy eo imason’ireo ianao. Dia anomezo azy ny voninahitrao mba hihainoan’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo azy. Ary hijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ny fitsaran’ny Orima eo anatrehan’NY TOMPO ho azy, izy; araka ny teniny no hivoahany ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’Israely rehetra miaraka aminy, dia ny fiangonana manontolo. Ary nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy i Mosesy. Dia naka an’i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo ka nametraka ny tanany taminy ary nanome didy azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy mba hanome didy ny Zanak’Israely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanolorana izany ho Ahy amin’ny fotoanany avy. Lazao aminy hoe: Izao no fanatitra levonina amin’ny afo, izay hatolotrao ho an’NY TOMPO: Zanak’ondry izay iray taona sady tsy misy kilema, roa isanandro, ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, koa ny zanak’ondry iray dia hatolotrao vao maraina ary ny zanak’ondry iray dia hatolotrao amin’ny hariva; koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo nofiazana ampahefatry ny hina kosa no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry. Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Ary ny fanatitra aidina dia ampahefatry ny hina isan-janak’ondry; ao amin’ny fitoerana masina no handrarahanao ny divay ho an’NY TOMPO ho fanatitra aidina. Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva milenti-masoandro; fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina, tahaka ny atao amin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Amin’ny andro Sabata kosa dia izao no hatolotrao: Zanak’ondry roa, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, miampy koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ampombaina azy ireo ny fanatitra aidina. Fanatitra dorana manontolo ho amin’ny Sabata izany, ary ho isan-tSabata, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva dorana manontolo sy ny fanatitra aidina ampombaina azy. Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO amin’ny voaloham-bolanareo: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny vantotra ombilahy; koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny ondrilahy; koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay; ho fanatitra dorana manontolo izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Ny fanatitra aidina ampombaina izany dia divay antsasaky ny hina, ho amin’ny vantotra ombilahy iray, ampahatelon’ny hina, ho amin’ny ondrilahy iray ary ampahefatry ny hina, ho amin’ny zanak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana manontolo isam-bolana, araka ireo volana amin’ny taona, ary osilahy iray koa dia hatao fanatitra noho ny ota ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, no hanolorana azy sy ny fanatitra aidina ampombaina azy. Ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany dia Paska an’NY TOMPO. Andro firavoravoana ny andro fahadimy amby folo amin’izany volana izany. Hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina; aza manao raharaha mavesatra. Izao no hatolotrareo ho fanatitra levonina amin’ny afo, dia fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, izay tsy misy kilema, no hatolotrareo; ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto voaharo diloilo; telo hampahafolon’ny efaha no hatolotrareo miaraka amin’ny vantotra ombilahy tsirairay; roa ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny ondrilahy, ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito, ary osilahy iray no ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo. Atolory ireo ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo isa-maraina, izay atao fanatitra mandrakariva, dorana manontolo. Araka ireo no hanoloranareo isanandro, mandritra ny fito andro, ho hanina levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva manontolo no hanolorana izany sy ny fanatitra aidina ampombaina azy. Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra. Amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manolotra fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO ianareo amin’ny fetin’ireo Herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra. Ireto no atolory ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy roa, ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy; ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny ombilahy tsirairay, roa ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny ondrilahy, ary ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito, ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo. Dia hatolotrareo ireo ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy; izay tsy misy kilema hatrany no haterinareo. Amin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra; ho andro fitsofana ny trompetra fanairana ho anareo izany. Ary izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema; ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy kosa dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ampombaina ny vantotra ombilahy, roa ampahafolon’ny efaha ampombaina ny ondrilahy, ampahafolon’ny efaha ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo, ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo noho ny voaloham-bolana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao aminy, ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany. Amin’ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo ka hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha na dia kely aza. Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, ho hanitra ankasitrahana: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, no hatolotrareo; ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ampombaina ny vantotra ombilahy, roa ampahafolon’ny efaha ampombaina ny ondrilahy, ary ampahafolon’ny efaha ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ho fanampin’ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; koa aza manao raharaha mavesatra fa mitandrema ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana. Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy telo amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema izy ireo; ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ampombaina ny ombilahy tsirairay, dia ireo vantotra ombilahy telo amby folo; roa ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny ondrilahy tsirairay, dia ny ondrilahy roa; ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry efatra amby folo, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Amin’ny andro faharoa indray, vantotra ombilahy roa amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona, sady tsy misy kilema; ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra araraka ampombaina ny vantotra ombilahy sy ireo ondrilahy ary ireo zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra araraka ampombaina azy. Amin’ny andro fahatelo dia vantotra ombilahy iraika amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombainy azy; ary koa fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Amin’ny andro fahefatra kosa dia vantotra ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, ampiana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy sy ny fanatitra aidina, ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Amin’ny andro fahadimy indray, vantotra ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, ao koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy sy ny fanatitra aidina, ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Amin’ny andro fahenina dia vantotra ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, ampiana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry hateriny, sy ny fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Amin’ny andro fahafito dia vantotra ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy sy ireo fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana ho anareo; aza manao raharaha mavesatra. Izao kosa no atolory ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, ampiana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry hatolotr’ireo sy ny fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. Ireo no hatolotrareo ho an’NY TOMPO amin’ny fotoam-pivavahanareo, ankoatra ny fanatitra fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitrapo izay hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ho fanatitra aidina ary ho fanati-pihavanana. Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely izany, araka izay rehetra efa nandidian’NY TOMPO azy. Ary niteny tamin’ireo lohan’ny fokon’ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izao no teny izay nandidian’NY TOMPO: Raha misy lehilahy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO dia tsy hamadika ny teny nataony izy fa araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. Raha misy indray vehivavy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy izy ka ren’ilay rainy ny voadiny sy ny namehezany tena hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia manan-kery ny voadiny sy izay fatotra namehezany tena, na inona na inona izany. Fa raha nandrara azy ny rainy tamin’ny andro nandrenesany dia tsy manan-kery ny voadiny na izay namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony satria nandrara azy ny rainy. Raha manambady izy ka misy voady efa nataony na misy teniteny foana nataon’ny molony ka namehezany ny tenany, raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany. Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany azy niteny dia hofoanan-dRalehilahy ny voady izay noteneniny sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony. Fa ny amin’ny voadin’ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa dia manan-kery izay rehetra namehezany tena. Raha misy vehivavy manambady kosa ka mivoady na mianiana mamehy tena tamin’ny voady ka mandre ny vadiny, nefa tsy miteny azy na mandrara azy, dia manan-kery ny voadiny na izay rehetra namehezany tena. Fa raha manafoana izany kosa ny vadiny amin’ny andro andrenesany azy miteny dia tsy manan-kery izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezany tena; ny vadiny no manafoana izany ary NY TOMPO hamela ny helony. Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany dia ny lahy ihany no hampanan-kery azy na hanafoana azy. Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady. Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorianan’ny nandrenesany azy dia izy no hitondra ny heloky ny vavy. Ireo no fitsipika nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy Razazavavy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe: Valio noho ny nataony tamin’ny Zanak’Israely ny Midianita, ary rehefa afaka izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao. Dia niteny tamin’ny olona i Mosesy hoe: Misia aminareo mandray fiadiana ka hanafika ny Midianita mba hahatanteraka ny famalian’NY TOMPO ny Midianita. Arivo lahy avy isam-poko amin’ny fokon’ny Israely no halefanareo hanafika. Dia navahana tamin’ny fokon’ny Israely ny arivo isam-poko, izany hoe roa arivo sy iray alina, samy mitam-piadiana. Nampandehanin’i Mosesy hanafika ireo arivo lahy isam-poko ireo sy i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tanany, miaraka amin’ireo trompetra fanairana. Dia niady tamin’ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy; dia matiny ny lehilahy rehetra. Ary matiny niaraka tamin’ireny koa ny mpanjakan’i Midiana dimy lahy, dia i Evy, i Rekema, i Zora, i Hora ary i Reba; ary i Balama, zanak’i Beora koa dia novonoiny tamin’ny sabatra. Nobaboin’ny Zanak’Israely koa ny vehivavy midianita sy ny zanany madinika; nalainy avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ondriny rehetra mbamin’ny fananany rehetra. Ary ny tanàna rehetra izay nonenany sy ny tobiny rehetra dia nodoran’izy ireo tamin’ny afo. Dia nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy, ka noentiny tany amin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ny Zanak’Israely teo an-toby, tany Arbota-Moaba izay eo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona mbamin’ny lohan’ny fiangonana rehetra dia nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby. Nefa tezitra tamin’ny mpifehy ny miaramila i Mosesy, dia tamin’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy nanafika, ka hoy izy tamin’ireo: Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra? Ireo ihany no nampikomy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO noho ny tenin’i Balama, tamin’ilay raharahan’i Peora, ka nahazo ny fiangonan’NY TOMPO ilay areti-mandringana. Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy. Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy kosa dia velomy ho anareo. Mitobia eo ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy ny andro fahafito, na ianareo, na ny olona babonareo. Ny fitafiana rehetra na ny fanaka hoditra na ny fanaka volon’osy na ny fanaka hazo dia diovy avokoa. Ary hoy i Eleazara mpisorona tamin’ireo mpanafika, izay efa tany amin’ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy: Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny firapotsy ary ny firaka, dia ny zavatra rehetra izay mahatanty afo, dia ataovy ao amin’ny afo mba hadio. Kanefa hodiovina amin’ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ny rano ihany. Sasao koa ny fitafianareo amin’ny andro fahafito dia hadio ianareo, koa rehefa afaka izany vao mahazo miditra ao amin’ny toby ianareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Alaonao sy i Eleazara mpisorona sy ny lohan’ny fianakaviana ao amin’ny fiangonana ny isan’ny babo izay azo, na olona na biby fiompy. Sasaho ny babo ho an’izay niady, dia ireo izay nanafika, sy ho an’ny fiangonana manontolo; kanefa makà anjara ho an’NY TOMPO avy amin’ny mpanafika izay nandeha nanafika, dia iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy; ilay antsasany izay anjaran’ireo no hanalanao izany ka homenao an’i Eleazara mpisorona ho fanomezana ho an’NY TOMPO. Ary ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely kosa dia analao iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy, dia ny biby fiompy rehetra ka omeo ho an’ny levita izay mitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO. Dia notanterahin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ny mpanafika dia ondry aman’osy dimy arivo sy fito alina sy enina hetsy, omby roa arivo sy fito alina, boriky arivo sy enina alina ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo sy telo alina. Ireto ny antsasany izay anjaran’ny mpanafika: Dimanjato sy fito arivo sy telo alina sy telo hetsy ny ondry aman’osy; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo ondry aman’osy ireo dia dimy amby fitopolo sy eninjato. Ny omby kosa dia enina arivo sy telo alina; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia roa amby fitopolo. Dimanjato sy telo alina ny boriky; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia iraika amby enimpolo. Ny olona indray dia enina arivo sy iray alina; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia roa amby telopolo. Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona ny fanomezana izay nalaina ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Avy tamin’ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely, izay nozarain’i Mosesy avy tamin’ny mpanafika, dia ilay antsasany izay an’ny fiangonana; izany hoe ondry aman’osy dimanjato sy arivo sy telo alina sy telo hetsy, omby enina arivo sy telo alina, boriky dimanjato sy telo alina ary olona enina arivo sy iray alina. Tamin’ny antsasany izay an’ny Zanak’Israely no nanalan’i Mosesy iray isan-dimampolo, na olona na biby fiompy, ka nomeny ho an’ny levita mpitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Ary ireo mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’i Mosesy ka niteny taminy hoe: Ny mpanomponao dia efa naka ny isan’ny mpanafika izay nofehezinay ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray aza; koa nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana, haba, peratra fitombo-kase, kavina ary firavaka iambozonana, hanaovana fanavotana ho an’ny ainay eo anatrehan’NY TOMPO. Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona taminy ny volamena izay firavaka voatefy avokoa. Ary ny volamena rehetra izay natokan’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho fanomezana ho an’NY TOMPO dia sekela dimampolo sy fitonjato sy enina arivo sy iray alina satria ny mpanafika dia samy namabo ho an’ny tenany. Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka noentiny tao amin’ny tranolay fihaonana, ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO. Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada dia nanana omby aman’ondry marobe. Hitany fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondriny ny tany Jazera sy ny tany Gileada. Dia avy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ka niteny tamin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona sy tamin’ireo lohan’ny fiangonana hoe: I Atarota, i Dibona, i Jazera, i Nimra, i Hesbona, i Elale, i Sebama, i Nebo ary i Beona, ireo tany noresen’NY TOMPO teo anoloan’ny fiangonan’ny Israely ireo dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondry ary ny mpanomponao dia manana omby aman’ondry. Hoy koa izy ireo: Raha mahita fitia eo imasonao izahay, aoka homena anay mpanomponao ho zarataninay io tany io; fa aza ampitaina an’i Jordana izahay. Dia hoy i Mosesy tamin’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: Ny rahalahinareo va handeha hanafika nefa ianareo kosa hijanona eto? Nahoana ianareo no hanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO azy? Izany ihany no nataon’ireo rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesy-Barnea hisafo ny tany izy. Rehefa niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ireo ka nahita ny tany dia nanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay efa nomen’NY TOMPO azy. Nirehitra ny fahatezeran’NY TOMPO tamin’izay andro izay ka nianiana Izy hoe: Ny olona izay niakatra avy tany Ejipta, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba homena azy satria tsy tanteraka tamin’ny fanarahana Ahy izy ireo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone kenizita, sy i Josoa, zanak’i Nona, izay tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO. Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka navelany hirenireny tany an-tany efitra efapolo taona izy ireo, mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’NY TOMPO. Ary izao indray koa ianareo dia mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mpanota, hampitombo ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely! Fa raha miala amin’ny fanarahana Azy ianareo dia hampaharitra ny fitoeran’ny Israely any an-tany efitra indray Izy; koa ianareo no handringanana izao olona rehetra izao. Dia nanatona azy izy ireo ka niteny hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ny omby aman’ondrinay ary tanàna ho an’ny zanakay madinika; fa ny tenanay dia handray fiadiana haingana ka hilahatra hiady eo alohan’ny Zanak’Israely, mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika kosa dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny amin’ny mponina eo amin’ny tany. Tsy hody any an-tranonay izahay mandra-pahazoan’ny Zanak’Israely ny zarataniny avy. Fa tsy hiara-mandray zaratany aminy izahay raha hatrany andafin’i Jordana no ho miankandrefana satria efa azonay atỳ andafy atsinanan’i Jordana atỳ ny zarataninay. Dia hoy i Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana hanafika eo anatrehan’NY TOMPO, rehefa samy efa voaomana hiady dia hita ho any andafin’i Jordana eo anatrehan’NY TOMPO, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany ka ho resy eo anatrehan’NY TOMPO ny tany, dia izay vao hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’NY TOMPO, na amin’ny Israely; ary ity tany ity no ho zarataninareo eo anatrehan’NY TOMPO. Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo dia manota amin’NY TOMPO; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo. Manorena tanàna ho an’ny zanakareo madinika sy vala ho an’ny ondry aman’osinareo ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. Dia niteny tamin’i Mosesy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena hoe: Hanatanteraka izay andidianao ny mpanomponao, tompoko. Ny zanakay madinika sy ny vadinay ary ny ondry aman’osinay sy ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ny tanànan’i Gileada; fa ny mpanomponao dia handeha hita ny ony; samy efa voaomana hiady eo anatrehan’NY TOMPO izahay ka hanafika, araka izay nolazainao, tompoko. Ary i Mosesy dia nandidy an’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ireo lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely ny momba azy ireo ka niteny taminy hoe: Raha handeha hita an’i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’NY TOMPO, ka ho resy eo anoloanareo ny tany, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zarataniny; fa raha tsy mandray fiadiana miaraka aminareo izy dia eo aminareo any amin’ny tany Kanana ihany no hahazoany zaratany. Dia hoy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: Araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’ny mpanomponao no hataonay: Handeha hita eo anatrehan’NY TOMPO ho any amin’ny tany Kanana izahay, fa samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ andafin’i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zaratany. Dia nomen’i Mosesy ho an’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, sy ny fanjakan’i Oga, mpanjakan’i Basana, dia ny tany mbamin’ny tanànany ao amin’ny faritany, dia ny tanàna eny amin’ny tany manodidina. Ny taranak’i Gada dia nanorina an’i Dibona, i Atarota, i Aroera, i Atirota-Sofana, i Jazera, i Jogbeha, i Bety-Nimra, i Bety-Harana, tanàna mimanda sy vala ho an’ny ondry. Ny taranak’i Robena dia nanorina an’i Hesbona, i Elale, i Kiriataima, i Nebo, i Baala-Meona, izay novana ny anarany, ary i Sibma; dia nomeny anarana vaovao ireo tanàna izay naoriny. Ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia nankany Gileada ka naharesy azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo. Ary i Gileada dia nomen’i Mosesy an’i Makira, zanak’i Manase, ka nonina tao izy. Ary i Jaira, zanak’i Manase, dia nandeha ka nandresy ireo tanànan’ny mpitoetra an-tranolay ary ny anarany nataony hoe Havota -Jaira. Ary nandeha i Noba ka nandresy an’i Kenata sy ireo vohitra miankina aminy, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany. Ireto avy no toerana nijanonan’ny Zanak’Israely, izay noentin’i Mosesy sy i Arona nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta araka ny antokony. Notanan’i Mosesy an-tsoratra ny toerana niaingany sy nijanonany, araka izay didin’NY TOMPO; ireto ny toerana nijanonany, araka ny diany: Niala tao Ramesesa izy ireo tamin’ny volana voalohany, dia tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paska no nivoahan’ny Zanak’Israely tamin’ny fahafahana tanteraka, teo imason’ny Ejiptiana rehetra, fa mbola nandevina izay novonoin’NY TOMPO teo aminy ny Ejiptiana, dia ny lahimatoa rehetra; ny andriamaniny dia notsarain’NY TOMPO. Niala tao Ramesesa ny Zanak’Israely dia nitoby tao Sokota. Niala tao Sokota dia nitoby tao Etama, izay teo an-tsisin’ny tany efitra. Niala tao Etama dia niverina nankany Py-Hahirota, izay tandrifin’i Baala-Zefona ka nitoby tandrifin’i Migdola. Niala avy teo anoloan’i Hahirota ka nandeha nita teo afovoan’ny ranomasina ho any an-tany efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-tany efitra Etama ary nitoby tao Mara. Niala tao Mara dia nankany Elima; tao Elima dia nisy loharano roa amby folo sy hazo daty fitopolo, dia nitoby teo. Niala tao Elima dia nitoby teo amoron’ny Ranomasina Mena. Niala tao amoron’ny Ranomasina Mena dia nitoby tany an-tany efitra Sina. Niala tany an-tany efitra Sina dia nitoby tao Dopka. Niala tao Dopka dia nitoby tao Alosy. Niala tao Alosy dia nitoby tao Refidima na dia tsy nisy rano hosotroin’ny olona aza tao. Niala tao Refidima dia nitoby tany an-tany efitr’i Sinay. Niala tany an-tany efitr’i Sinay dia nitoby tao Kibrota-Hatava. Niala tao Kibrota-Hatava dia nitoby tao Hazerota. Niala tao Hazerota dia nitoby tao Ritma. Niala tao Ritma dia nitoby tao Rimona-Pareza. Niala tao Rimona-Pareza dia nitoby tao Libna. Niala tao Libna dia nitoby tao Risa. Niala tao Risa dia nitoby tao Kehelata. Niala tao Kehelata dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera. Niala tao an-tendrombohitra Sefera dia nitoby tao Harada. Niala tao Harada dia nitoby tao Makelota. Niala tao Makelota dia nitoby tao Tahata. Niala tao Tahata dia nitoby tao Tara. Niala tao Tara dia nitoby tao Mitka. Niala tao Mitka dia nitoby tao Hasmona. Niala tao Hasmona dia nitoby tao Moserota. Niala tao Moserota dia nitoby tao Bene-Jakana. Niala tao Bene-Jakana dia nitoby tao Hora-Gidigada. Niala tao Hora-Gidigada dia nitoby tao Jotbata. Niala tao Jotbata dia nitoby tao Abrona. Niala tao Abrona dia nitoby tao Eziona-Gebera. Niala tao Eziona-Gebera dia nitoby tany an-tany efitra Zina na Kadesy. Niala tao Kadesy dia nitoby tao amin’ny tendrombohitra Hora, tao an-tsisin’ny tanin’i Edoma. Ary niakatra tao amin’ny tendrombohitra Hora i Arona mpisorona, araka ny didin’NY TOMPO, dia maty tao izy tamin’ny fahefapolo taona taorianan’ny nivoahan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy. Telo amby roapolo amby zato taona i Arona raha maty tao amin’ny tendrombohitra Hora. Ary ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada, izay nonina teo amin’ny tany Negeva, any amin’ny tany Kanana, fa avy ny Zanak’Israely. Niala tao amin’ny tendrombohitra Hora izy ireo dia nitoby tao Zalmona. Niala tao Zalmona dia nitoby tao Ponona. Niala tao Ponona dia nitoby tao Obota. Niala tao Obota dia nitoby tao Ie-Abarima tao amin’ny sisintanin’i Moaba. Niala tao Ie-Abarima dia nitoby tao Dibona-Gada. Niala tao Dibona-Gada dia nitoby tao Almona-Diblataima. Niala tao Almona-Diblataima dia nitoby tao amin’ny tendrombohitra Abarima, tandrifin’i Nebo. Niala tamin’ny tendrombohitra Abarima dia nitoby tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Ary nitoby teo amoron’i Jordana hatrany Bety-Jesimota ka hatrany Abela-Sitima, tany Arbota-Moaba. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ireo tany lemaka ngazana tany Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordana ianareo ka tonga any amin’ny tany Kanana dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany ary horavanareo ny sampy vatony rehetra, holevoninareo ny sarin-javatra narendrika voalasitra rehetra nataony, hopotehinareo ny toerana fanaovany sorona rehetra; dia halainareo ny tany ka honina ao ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany mba ho zarataninareo. Antsapaka no hizaranareo ny tany araka ny fianakavianareo avy. Ny maro an’isa dia homenareo zaratany bebe kokoa ary ny vitsy an’isa kosa dia homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’izay tondroin’ny antsapaka ho azy no ho anjarany. Araka ny fokon’ny razanareo no hahazoanareo zaratany. Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ny tany dia ho lay amin’ny masonareo sy ho tsilo amin’ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo ka handrafy anareo eo amin’ny tany izay onenanareo izy ireny; ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandidia ny Zanak’Israely hoe: Raha tonga any amin’ny tany Kanana ianareo dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka ny voafaritry ny sisintaniny. Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny tany efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ny sisintaninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasintsira, dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesy-Barnea, dia mahazo an’i Hazara-Adara ka mandroso hatrany Azmona; ary miolaka hatreo Azmona ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mipaka hatrany amin’ny ranomasina. Ny amin’ny sisintany andrefana dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny morony, koa hatreo no ho sisintaninareo andrefana. Izao no ho sisintaninareo avaratra: Hatreo amin’ny Ranomasina Lehibe dia ny tendrombohitra Hora no hotandrifìnareo; avy eo amin’ny tendrombohitra Hora dia ny lalana mankany Hamata no hotandrifìnareo ary hahazo an’i Zedada ny sisintany; dia hahazo an’i Zifrona ka hipaka hatrany Hazara-Enana; izany no ho sisintaninareo avaratra. Ary ny ho sisintaninareo atsinanana dia farito hatreo Hazara-Enana ka hatrany Sefama, ary hidina avy ao Sefama hatrany Ribla any atsinanan’i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ny moron’ny ranomasin’i Kinereta, any atsinanana; ary hidina indray hatrany Jordana ny sisintany ka hipaka amin’ny Ranomasintsira. Izany no ho taninareo araka ny sisintaniny manodidina. Ary nandidy ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny antsapaka, dia izay andidian’NY TOMPO mba homena ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase; fa ny foko taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny foko taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zarataniny, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase koa dia efa nandray ny zarataniny. Ireo ny foko roa sy sasany izay samy efa nandray ny zarataniny atỳ andafy atsinanan’i Jordana, hitsin’i Jeriko, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Ireto ny anaran’ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: I Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona. Ary loholona iray avy amin’ny foko tsirairay koa no halainareo hizara ny tany. Izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Ny avy amin’ny fokon’i Joda dia i Kaleba, zanak’i Jefone; ny avy amin’ny foko taranak’i Simeona dia i Semoela, zanak’i Amihoda; ny avy amin’ny fokon’i Benjamina dia i Elidada, zanak’i Kislona; ny lehiben’ny foko taranak’i Dana dia i Bokỳ, zanak’i Jogly; ny avy amin’ny taranak’i Josefa: Ny lehiben’ny foko taranak’i Manase dia i Haniela, zanak’i Efoda; ny lehiben’ny foko taranak’i Efraima dia i Kemoela, zanak’i Siftana; ny lehiben’ny foko taranak’i Zebolona dia i Elizafana, zanak’i Parnaka; ny lehiben’ny foko taranak’Isakara dia i Paltiela, zanak’i Azana; ny lehiben’ny foko taranak’i Asera dia i Ahihoda, zanak’i Selomy; ny lehiben’ny foko taranak’i Naftaly dia i Pedahela, zanak’i Amihoda. Ireo no nodidian’NY TOMPO hizara ny tany Kanana ho an’ny Zanak’Israely. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ireo tany lemaka ngazana tany Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, hoe: Mandidia ny Zanak’Israely mba hanome tanàna ao amin’ny zarataniny avy honenan’ny levita. Homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy. Ireo tanàna ireo no ho fonenany; ary ny tany dia ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ny bibiny rehetra. Ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny levita dia izao: Hatreo amin’ny mandan’ny tanàna ka hatrany amin’ny sisin’ny tany manodidina dia arivo hakiho. Handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ny tanàna ianareo amin’ny lafiny atsinanana. Roa arivo hakiho amin’ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin’ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin’ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany. Izany no ho taniny manodidina ny tanàna. Ny tanàna homenareo ny levita dia tanàna fialofana, enina izay ho fandosiran’izay nahafaty olona, ary tanàna roa amby efapolo koa ambonin’ireo. Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny levita dia valo amby efapolo mbamin’ny tany manodidina azy. Ny amin’ny tanàna izay homenareo avy amin’ny zaratanin’ny Zanak’Israely dia izay be no hanalanareo be ary izay kely no hanalanareo kely. Samy hanome tanàna ho an’ny levita izy rehetra araka ny zarataniny avy. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordana ianareo ka tonga any amin’ny tany Kanana dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fialofana ho anareo mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy. Ho fialofana ho anareo izany tanàna izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra ka tsy ho faty izay nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana. Ireo tanàna homenareo dia tanàna enina ho fialofana ho anareo. Tanàna telo no homenareo etỳ andafin’i Jordana ary tanàna telo no homenareo ao amin’ny tany Kanana; ho tanàna fialofana ireo. Ireo tanàna enina ireo dia ho fialofana ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina ary izay vahiny mandalo eo anivony mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy. Kanefa raha misy mamely olona amin’ny vy ka mahafaty azy dia mpamono olona izy; hovonoina ho faty izay namono olona. Raha misy mamely olona amin’ny vato ka mahafaty azy dia mpamono olona izy; hovonoina ho faty izay namono olona. Raha misy mamely olona amin’ny hazo ka mahafaty azy dia mpamono olona izy; hovonoina ho faty izay namono olona. Ny mpamaly ra no hamono azy; rehefa mifanena aminy izy dia izy no hamono azy. Raha misy manosika olona noho ny lolompo na mitoraka olona amin’ny fanotrehana ka mahafaty azy na mamely olona amin’ny tanany noho ny fandrafiana ka mahafaty azy dia hovonoina ho faty ilay namely satria mpamono olona izy. Ny mpamaly ra no hamono azy rehefa mifanena aminy izy. Fa raha misy nahatosika olona tsy nahy, fa tsy noho ny fandrafiana, na nahatoraka olona na amin’inona na amin’inona, nefa tsy tamin’ny fanotrehana, na sendra nanjera vato nahafaty olona, nefa tsy hitany ilay olona fa nianjera taminy ilay vato ary tsy fahavalony ilay olona sady tsy nitady handratra azy izy, dia hotsarain’ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly ra araka ireo lalàna ireo. Hovonjen’ny fiangonana ho afaka amin’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona ka hateriny indray ho ao amin’ny tanàna fialofana izay nalehany tamin’izy nandositra. Dia hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ny Mpisoronabe izay voahosotra tamin’ny diloilo masina. Fa raha mivoaka ho eny ivelan’ny tanàna fialofana izay nalehany tamin’izy nandositra ilay nahafaty olona ka hitan’ny mpamaly ra eny ivelan’ny tanàna dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-dra amin’izany satria tokony hitoetra tao an-tanàna fialofana izy mandra-pahafatin’ny Mpisoronabe; fa rehefa maty ny Mpisoronabe dia mahazo mody any amin’ny zarataniny ihany ilay nahafaty olona. Izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby any amin’izay rehetra onenanareo. Raha misy vonoana olona dia hovonoina izay nahafaty rehefa noporofoin’ny vavolombelona maromaro; fa raha vavolombelona iray monja dia tsy ampy hanamelohana olona ho faty izany. Ianareo dia tsy handray avotr’aina avy amin’izay namono olona, izay meloka ka tokony ho faty, fa hovonoina ho faty izy. Ary ianareo dia tsy handray vola avotra avy amin’izay nandositra ho ao an-tanàna fialofany mba hodiany indray honina amin’ny taniny raha tsy mbola maty akory ny mpisorona. Aza mandoto ny tany izay onenanareo, fa ny ra dia fandotoana ny tany; ary ny tany dia tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ny ra izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ny ran’izay nandatsaka azy ihany. Aza lotoina ny tany onenanareo izay itoerako; fa Izaho TOMPO no mitoetra eo anivon’ny Zanak’Israely. Dia nanatona ireo loham-pianakaviana tamin’ny fokon’ireo taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’ireo taranak’i Josefa, ka niteny teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’ireo lehibe, izay loham-pianakaviana tamin’ny Zanak’Israely hoe: Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy. Koa raha manambady ny zanakalahin’ny foko sasany amin’ny Zanak’Israely ireo dia hesorina amin’izay an’ny razanay ny zarataniny ka hanampy ny zaratanin’ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ny zarataninay izay azonay tamin’ny antsapaka izany. Ary raha tonga ny Jobilin’ny Zanak’Israely, ny zarataniny dia hanampy ny an’ny foko izay hatoniny, ary izay azy dia hesorina amin’ny zaratanin’ny razanay. Ary nandidy ny Zanak’Israely araka ny tenin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Marina ny tenin’ireo foko taranak’i Josefa. Izao no teny izay andidian’NY TOMPO ny amin’ny zanakavavin’i Zelofada: Mahazo manambady izay tiany izy, nefa avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany no hovadiny. Tsy hafindra foko ny zaratanin’ny firenen’ny Zanak’Israely fa samy hifikitra ao amin’ny zaratanin’ny razany avy. Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zaratany eo amin’ny foko iray amin’ny Zanak’Israely dia hanambady lehilahy avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany mba hananan’ny Zanak’Israely rehetra ny zaratanin’ny razany avy. Aoka tsy hisy hifindra foko ny zaratany samihafa, fa samy hifikitra eo amin’ny azy avy ny Zanak’Israely. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny zanakavavin’i Zelofada, koa i Mahala, i Tirza, i Hogla, i Milka ary i Noa, zanakavavin’i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin-drainy avy. Izay avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Manase, zanak’i Josefa, no novadin’ireo, dia nitoetra teo amin’ny fokon’ny mpianakavin’ny rainy ihany ny zarataniny. Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’NY TOMPO ka nampitondrainy an’i Mosesy ho amin’ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko. Izao no teny izay nolazain’i Mosesy tamin’ny Israely rehetra tany andafin’i Jordana, tany an-tany efitra, tany amin’ny tany ngazana tandrifin’i Sofa, teo anelanelan’i Parana, Tofela, Labana, Hazerota ary Di-Zahaba. Lalana iraika amby folo andro miala avy ao Horeba i Kadesy-Barnea, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seìra no aleha. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahiraika amby folo tamin’ny taona fahefapolo dia niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy holazainy aminy, rehefa namono an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, ilay nonina tao Astarota tany Edrehy izy. Tany andafin’i Jordana, tany amin’ny tany Moaba, no nanombohan’i Mosesy nanazava izao lalàna izao ka hoy izy: NY TOMPO Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba hoe: Ela izay ny nitoeranareo teto amin’ity tendrombohitra ity; miaingà ianareo dia mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitry ny Amorita sy any amin’izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ny tany ngazana, any amin’ny tendrombohitra, any Sefela, any Negeva sy ny moron’ny ranomasina, dia any amin’ny tanin’ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata. Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany; idiro ka raiso ho lovanao ny tany izay efa nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo, dia i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy. Tamin’izany andro izany aho dia niteny taminareo hoe: Tsy zakako irery ny hitondra anareo. NY TOMPO Andriamanitrareo, efa nahamaro anareo ary indro, efa betsaka toy ny kintana eny amin’ny lanitra izao ianareo. NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ary hitahy anareo, araka izay nolazainy taminareo! Hataoko ahoana no fitondra irery ny fahasahirananareo sy ny entanareo ary ny adinareo? Mifidiana izay lehilahy hendry sy mahira-tsaina ary hita toetra amin’ny fokonareo, fa hataoko ho lehibenareo izy. Dia namaly ahy ianareo hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina. Ary nalaiko ny lohan’ny fokonareo, izay olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ny fokonareo. Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’izany andro izany aho hoe: Henoy ny adin’ny rahalahinareo, dia tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany na ny vahiny eo aminy. Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana fa henoy toy ny lehibe ny kely; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana; ary raha misy raharaha sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko mba hohenoiko. Dia nandidy anareo tamin’izany andro izany aho ny amin’ny zavatra rehetra izay hataonareo. Nony niala tany Horeba isika dia nandeha namakivaky ilay tany efitra lehibe sady mahatahotra izay hitanareo teny amin’ny lalana mankany amin’ny tany be havoana an’ny Amorita, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika isika; dia tonga tao Kadesy-Barnea isika. Dia hoy aho taminareo: Efa tonga eto amin’ny tany be havoana an’ny Amorita ianareo, tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitsika ho antsika; indro, efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka raiso ho lovanao, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, taminao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao. Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka niteny hoe: Aoka isika haniraka olona hialoha lalana antsika mba hisafo ny tany ka hitondra teny amintsika momba ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika. Satria sitrako izany teny izany dia nifidy roa amby folo lahy teo aminareo aho, iray avy isam-poko. Dia niainga ireo ka niakatra tany an-tendrombohitra, dia tonga tao amin’ny lohasaha Eskola ary nisafo ny tany. Nakany ny vokatry ny tany ka nitondrany ho antsika, dia nilaza tamintsika izy ireo hoe: Tsara ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitsika ho antsika. Kanefa tsy nety niakatra ianareo fa nandà ny tenin’NY TOMPO Andriamanitrareo. Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo hoe: Halan’NY TOMPO isika, ary izany no nitondrany antsika niala avy tany Ejipta mba hanolorany antsika eo an-tanan’ny Amorita ka handringanany antsika. Ho aiza no hiakarantsika? Efa nanaketraka ny fontsika ny rahalahintsika tamin’ny nilazany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tany aza ny Anakita. Dia hoy aho taminareo: Aza mangorohoro ary aza matahotra azy ireo; NY TOMPO Andriamanitrareo izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, tahaka izay rehetra nataony ho anareo tany Ejipta teo imasonareo, ary tany an-tany efitra, izay nahitanao ny fitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran’ny olona ny zanany, dia teny amin’ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin’ity toerana ity. Kanefa, na dia nolazaiko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany NY TOMPO Andriamanitrareo izay nandeha tamin’ny lalana teo alohanareo hitady toerana hitobianareo, koa ny afo tamin’ny alina ary ny rahona rehefa antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo. Rehefa nandre ny teninareo NY TOMPO dia tezitra ka nianiana hoe: Tsy hisy olona amin’izao taranaka ratsy fanahy izao mihitsy hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone; izy no hahita io tany io; ary izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny satria efa tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO izy. Ary izaho koa dia notezeran’NY TOMPO noho ny aminareo ka nataony hoe: Ianao koa tsy hiditra any; fa i Josoa, zanak’i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo fa izy no hampandova ny Zanak’Israely ny tany. Ny zanakareo madinika izay nolazainareo fa ho babo, ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin’izao andro izao, izy ireo no hiditra any, izy ireo no homeko ny tany ary izy ireo no handova azy. Fa ianareo kosa dia miverena ka mandehana any an-tany efitra, any amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena. Dia namaly ahy ianareo hoe: Efa nanota tamin’NY TOMPO izahay; hiakatra ihany izahay dia hiady, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin’ny fiadiany avy ianareo rehetra ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Lazao amin’izy ireo hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo. Dia niteny taminareo aho nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin’NY TOMPO ianareo ka sahisahy fahatany niakatra tany an-tendrombohitra ihany. Dia tonga hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’io tendrombohitra io, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny renitantely, dia nandringana anareo tany Seìra ka hatrany Horma. Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan’NY TOMPO; nefa tsy nihaino ny feonareo NY TOMPO na nanongilana ny sofiny taminareo. Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao. Dia niverina isika ka nandeha tany an-tany efitra tamin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain’NY TOMPO tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seìra ela ihany isika. Dia niteny tamiko NY TOMPO hoe: Aoka izay ny fandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity fa miverena mianavaratra ianareo. Ary mandidia ny olona hoe: Ianareo izao dia efa handeha hamakivaky ny tanin’ny taranak’i Esao rahalahinareo izay monina any Seìra; hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo. Aza mila ady aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny, na dia eram-paladia akory aza satria nomeko ho lovan’i Esao ny tendrombohitra Seìra. Vola no hividiananareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hividiananareo rano aminy hosotroinareo. Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’izay rehetra nataon’ny tananao; fantany ny nandehananao namakivaky ity tany efitra lehibe ity; izay efapolo taona izay NY TOMPO Andriamanitrao no teo aminao ka tsy nisy zava-mahory anao. Ary raha nolalovantsika ny taranak’i Esao rahalahintsika izay monina any Seìra ka niala tamin’ny lalana any amin’ny Araba sy tao Elata ary Eziona-Gebera isika dia nivily avy eo ka nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Moaba. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Aza mandrafy ny Moabita na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny satria nomeko ho lovan’ny taranak’i Lota i Ara. Ny Emima nonina tany fahiny dia firenena lehibe sy maro an’isa ary olona lava tahaka ny Anakita. Ireo koa no nolazaina ho Refaìta tany aloha, tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa dia nilaza azy hoe Emima. Ary ny tany Seìra dia nonenan’ny Horita, fa ny taranak’i Esao no nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon’ny Israely tao amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO azy ho lovany. Koa miaingà ianareo ankehitriny ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zereda. Dia namakivaky ny lohasahan-driaka Zereda isika. Valo amby telopolo taona ny andro nandehanantsika hatrany Kadesy-Barnea ka hatramin’ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zereda, ary izany dia mandra-pahalany ritra ny mpanafika rehetra tamin’izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ny toby, araka izay nianianan’NY TOMPO taminy. Ary ny tanan’NY TOMPO dia namely azy mba haharingana ireo mandra-pahalany ritra azy ho tsy nisy intsony teo amin’ny toby. Nony lany ritra ny mpanafika satria maty avokoa dia niteny tamiko NY TOMPO hoe: Ankehitriny dia hamakivaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara, dia ho tonga ao akaikin’ny taranak’i Amona, nefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ny taranak’i Amona satria nomeko ho lovan’ny taranak’i Lota io toerana io. Nolazaina ho tanin’ny Refaìta koa teo; fa ny Refaìta no nitoetra tao taloha ka nataon’ny Amonita hoe Zamzomita. Firenena lehibe sy maro an’isa ary ahitana olona lava tahaka ny Anakita ireny nefa naringan’NY TOMPO tsy ho eo anoloany, koa ny Amonita no nonina nisolo azy ireo, araka izay nataony ho an’ny taranak’i Esao koa, izay mitoetra any Seìra, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy ka nandroaka azy ireo dia nonina nisolo azy mandraka androany. Ary ny amin’ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora; ary ireo no nonina nisolo azy. Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao i Sihona amorita, mpanjakan’i Hesbona, mbamin’ny taniny. Santaro ny handovanao azy ka tafiho. Anio vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, koa raha reny ny lazanao dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy. Dia nandefa iraka avy tany an-tany efitr’i Kedemota aho hankany amin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, hitondra teny fihavanana hoe: Aoka mba handeha hamakivaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako ka tsy hivily aho, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia; vola no hividianako hanina aminao hohaniko, ary vola koa no hividianako rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho, araka izay nataoko koa tamin’ny taranak’i Esao izay monina any Seìra, sy ny Moabita, izay monina any Ara, mandra-pitako an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitray anay. Fa tsy nety namela antsika handeha hamakivaky ny taniny i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, satria NY TOMPO Andriamanitrao nampaditra ny fanahin’i Sihona sy nanamafy ny fony, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’izao anio izao. Dia niteny tamiko NY TOMPO hoe: Indro, vao manomboka hanolotra an’i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny. Dia niainga i Sihona mbamin’ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza. Dia nanolotra azy teo anoloantsika NY TOMPO Andriamanitsika ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika. Tamin’izany andro izany ihany dia nahazo ny tanànany rehetra isika ka nataontsika ho zavatra voaozona ny mponina rehetra isan-tanàna mbamin’ny zaza amam-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza. Ny biby fiompiny sy ny fananany tao amin’ny tanàna izay azontsika ihany anefa no nataontsika ho babo. Tsy nisy tanàna tsy azontsika; hatrany Aroera, izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada; fa izy rehetra ireo dia natolotry NY TOMPO Andriamanitsika teo anoloantsika. Kanefa ny tanin’ny taranak’i Amona no tsy nohakekezinareo, dia ny tany amoron’ny lohasahan-driaka Jaboka sy ny tanàna ao amin’ny tany be havoana; ary izay rehetra nandraran’NY TOMPO Andriamanitsika antsika koa dia nolalovantsika fotsiny. Dia niverina isika avy eo ka niakatra tamin’ny lalana mankany Basana; ary tonga hiady amintsika tao Edrehy i Oga, mpanjakan’i Basana, mbamin’ny vahoakany rehetra. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aza matahotra azy ianao fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, no hataonao aminy. Natolotry NY TOMPO Andriamanitsika teo an-tanantsika koa i Oga, mpanjakan’i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha tsy nisy niangana azy na dia iray akory aza. Dia azontsika ny tanànany rehetra tamin’izany andro izany ary tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enimpolo, ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’i Oga tany Basana. Samy nisy manda avo sy vavahady ary hidiny hahamafy azy avy ireo tanàna rehetra ireo, afa-tsy ny vohitra madinika maromaro. Dia nataontsika ho zavatra voaozona ireny, tahaka izay efa nataontsika tamin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona; naringana ny mponina rehetra isan-tanàna mbamin’ny zaza amam-behivavy. Ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika. Tamin’izany andro izany dia nalaintsika tamin’ny mpanjaka roa izay an’ny Amorita ny tany any andafin’i Jordana, hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona, izay nantsoin’ny Sidoniana hoe Siriona; nefa ny Amorita kosa dia nilaza azy hoe Senira, dia ny tanàna rehetra amin’ny tany lemaka sy i Gileada rehetra ary i Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin’ny fanjakan’i Oga tany Basana. Fa i Oga, mpanjakan’i Basana, irery no sisa velona tamin’ny Refaìta. Indro, farafara vy ny farafarany; tsy ao Raba an’ny taranak’i Amona va izany? Sivy hakiho ny halavany ary efatra hakiho ny sakany, refy hakihon’ny lehilahy io noraisina io. Io tany io dia azontsika tamin’izany andro izany; hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona sy ny antsasaky ny tany havoana any Gileada ary ny tanàna eo, dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita. Ary ny sisa tamin’i Gileada sy ny tanin’i Basana rehetra, izay fanjakan’i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia i Basana rehetra izay atao hoe Tanin’ny Refaìta. I Jaira, zanak’i Manase, no nahazo ny tany Argoba rehetra, hatramin’ny faritanin’ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’izany Basana izany dia nataony hoe Havota-Jaìra, araka ny anarany ihany, mandraka androany. Ary nomeko an’i Makira i Gileada. Ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha sy ny sisintany, hatrany amin’ny moron’ny lohasahan-driaka Jaboka izay sisintanin’ny taranak’i Amona, ary ny tany ngazana koa sy i Jordana ary ny faritany hatrany Kinereta ka hatrany amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, dia ny Ranomasintsira, eo an-tsisin’i Pisga, ao atsinanany. Nandidy anareo aho tamin’izany andro izany hoe: NY TOMPO Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo. Andeha mita eo alohan’ny Zanak’Israely rahalahinareo ianareo lehilahy mahery rehetra izay samy efa voaomana hiady. Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo, izay fantatro fa anananareo betsaka, dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo, mandra-panomen’NY TOMPO fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo ka holovany koa ny tany izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo azy any andafin’i Jordana; vita izay vao hiverina ianareo, samy ho any amin’ny taniny avy, izay nomeko anareo. Dia nandidy an’i Josoa aho tamin’izany andro izany hoe: Ny masonao dia efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’NY TOMPO amin’ny fanjakana rehetra izay halehanao. Aza matahotra azy ianareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo no hiady ho anareo. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO aho tamin’izany andro izany hoe: Andriamanitra TOMPO ô, Ianao vao naneho tamin’ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahavita tahaka ny asanao sy ny herinao? Mba avelao aho hita ka hahita ny tany soa izay any andafin’i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy i Libanona. Fa tezitra tamiko noho ny aminareo NY TOMPO ka tsy nihaino ahy. Hoy Izy tamiko: Aoka izay fa aza miteny Amiko intsony ny amin’izany zavatra izany ianao. Miakara eo an-tampon’i Pisga ianao, ary atopazy miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao; fa mandidia an’i Josoa, dia mampahereza sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan’ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao. Dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin’i Bety-Peora isika. Ary ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo anareo. Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay andidiako anareo. Efa nahita izay nataon’NY TOMPO noho ny tamin’i Baala-Peora ny masonareo; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’i Baala-Peora dia naringan’NY TOMPO Andriamanitrao tsy ho eo aminao. Fa ianareo izay nifikitra tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa amin’izao anio izao. Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ny tany izay hidiranareo holovana. Koa tandremo sy tanteraho izany fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamihafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ireny ka hiteny hoe: Olona hendry sy mahira-tsaina tokoa io firenena lehibe io. Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka NY TOMPO Andriamanitra amin’izay rehetra iantsoantsika Azy? Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra ataoko eo anatrehanareo anio izao? Kanefa kosa mitandrema ianao, tandremo tsara ny tenanao, fandrao hohadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, na andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra iainanao. Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany. Tsarovy izay hitanao tamin’ny andro nitsangananao teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao tany Horeba, fony NY TOMPO nilaza tamiko hoe: Angony etỳ Amiko ny olona dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahorany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa. Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra; ary nirehitra afo nanakatra ny lanitra ny tendrombohitra, no sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito teo. Dia niteny taminareo avy teo afovoan’ny afo NY TOMPO; feon’ny teny ihany no renareo fa tsy nahita endrika akory ianareo. Nambarany taminareo ny fanekeny, izay nataony didy mba harahinareo, dia ny Teny Folo na ny Didy Folo izany; ary nosoratany teo amin’ny vato fisaka roa ireo. Ary nomen’NY TOMPO didy aho tamin’izany andro izany mba hampianatra anareo didy sy fitsipika izay harahinareo any amin’ny tany izay hidiranareo holovana. Tandremo tsara ny tenanareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ny andro izay nitenenan’NY TOMPO taminareo avy tao afovoan’ny afo tany Horeba; tandremo manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy, na sarim-biby izay etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ny habakabaka, na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ny tany, na sarin’ny hazandrano any anaty rano ambanin’ny tany; ary tandremo sao miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka ho voataona hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, kanefa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao ho anjaran’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra ireny. Fa ianareo no nalain’NY TOMPO ka noentiny niala avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, avy tany Ejipta, mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’izao anio izao. Dia tezitra tamiko NY TOMPO noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’i Jordana aho, na hiditra any amin’ny tany soa izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao. Izaho dia ho faty eto amin’ity tany ity fa tsy hita an’i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany. Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay nandraran’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy. Raha hiteraka sy ho loa-jafy koa ianao ka nitoetra ela teo amin’ny tany ianareo ary manao ratsy sy manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra rehetra na inona na inona izany sady manao ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ka mampahatezitra Azy, dia miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona fa vetivety foana dia ho fongotra tsy ho ao amin’ny tany izay alehanareo hita an’i Jordana holovana tokoa ianareo; tsy ho maro andro eo ianareo fa haringana tokoa. Ary hampiely anareo any amin’ny firenen-tsamihafa NY TOMPO ka ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamihafa izay hitondran’NY TOMPO anareo. Any no hanompoanareo andriamanitra izay asan-tanan’olona, dia vato aman-kazo tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo. Any ianao no hitady NY TOMPO Andriamanitrao ka hahita Azy raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo. Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony; fa Andriamanitra mamindra fo NY TOMPO Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino ny fanekena tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy. Fa anontanio anie ny andro lasa teo alohanao hatramin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany ary hatramin’ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany. Moa efa nisy firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny avy tao amin’ny afo, tahaka izay renao va, nefa velona ihany? Moa va efa nisy andriamanitra izay nanandrana handeha haka firenena ho an’ny tenany, avy amin’ny firenena hafa, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra, ny famantarana, ny fahagagana, ny ady, ny tanana mahery, ny sandry natsotra ary ny asa lehibe sady mahatahotra, araka izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo ho anareo teo imasonao tany Ejipta? Ianao no nampahitany izany, mba hahafantaranao fa NY TOMPO no Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy. Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao ary tetỳ ambonin’ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny dia efa renao avy tao afovoan’ny afo. Satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny taranany mandimby azy, dia Izy tenany no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny heriny lehibe, handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’izao anio izao. Koa aoka ho fantatrao anio, ary tsarovy ao am-ponao, fa NY TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ary tsy misy afa-tsy Izy. Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao mandrakizay. Tamin’izany dia nanokana tanàna telo tany andafy atsinanan’i Jordana i Mosesy, mba handosiran’izay nahafaty tsy nahy ny namany sady tsy nankahala azy talohan’io. Ho velona io mpamono tsy nahy io raha mandositra any amin’iray amin’ireo tanàna ireo, dia i Bazera any an-tany efitra, amin’ny tany lemaka, ho an’ny Robenita; i Ramota-Gileada, ho an’ny Gadita; ary i Golana any Basana, ho an’ny Manasita. Toy izao ny lalàna izay nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’ny Zanak’Israely. Toy izao ny teny vavolombelona sy didy ary fitsipika izay nambaran’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely, rehefa niala avy tany Ejipta izy. Tany andafin’i Jordana izany, tao an-dohasaha tandrifin’i Bety-Peora, tao amin’ny tanin’i Sihona, ilay mpanjakan’ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’i Mosesy sy ny Zanak’Israely, rehefa niala avy tany Ejipta izy. Nahazo ny tanin’i Sihona sy ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany andafy atsinanan’i Jordana, izy, hatrany Aroera, izay ao amoron’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Siona na Hermona, dia ny tany ngazana manontolo any andafy atsinanan’i Jordana ka hatrany amin’ny ranomasin’ny tany ngazana eo an-tsisin’i Pisga. Niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka niteny taminy hoe: Ry Israely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio dia ianaro ireo, ary tandremo ny fankatoavana azy. NY TOMPO Andriamanitsika dia nanao fanekena tamintsika tany Horeba; tsy tamin’ny razantsika no nanaovan’NY TOMPO izany fanekena izany fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio. Niteny nifanatrika taminareo NY TOMPO avy tao afovoan’ny afo tao an-tendrombohitra. Nitsangana teo anelanelan’NY TOMPO sy ianareo aho tamin’io andro io, hanambara aminareo ny tenin’NY TOMPO, satria natahotra noho ny fahitana ilay afo ianareo dia tsy niakatra tao amin’ny tendrombohitra ka hoy Izy: Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana. Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na izay mety ho endriky ny zavatra any amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao; fa tsy hataon’NY TOMPO ho afa-tsiny izay manonona foana ny anarany. Tandremo ny andro Sabata mba hanamasinana azy, araka izay didy nomen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan’ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao tahaka anao koa. Tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao ka tanana mahery sy sandry natsotra no nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata. Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao. Aza mamono olona. Aza mijangajanga. Aza mangalatra. Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao; aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza. Ireo teny ireo no nolazain’NY TOMPO tamin’ny feo mahery avy tao afovoan’ny afo sy ny rahona ary ny haizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, dia tsy nampiany intsony; fa nosoratany tamin’ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy. Rehefa nandre ilay feo avy tao amin’ny haizina ianareo, raha mbola nirehitra afo iny ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ny lehiben’ny fokonareo rehetra sy ny loholonareo ka nilaza hoe: Indro, efa nampahitan’NY TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ny olona nefa velona ihany ireo olona ireo. Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? Fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’NY TOMPO Andriamanitsika indray izahay dia ho faty. Fa iza tamin’ny nofo rehetra moa no efa nandre ny feon’Andriamanitra velona niteny avy tao afovoan’ny afo, tahaka antsika, kanefa velona ihany? Manatòna ianao ka mihainoa izay rehetra holazain’NY TOMPO Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain’NY TOMPO Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany. Nandre ny teninareo NY TOMPO, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin’ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra voalazany. Enga anie ka hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany mandrakariva ny didiko rehetra, mba hahita soa mandrakizay izy sy ny taranany! Mandehana ka lazao aminy hoe: Miverena ianareo any an-dainareo. Fa ianao kosa, mijanòna eto anilako ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay hampianarinao azy mba harahiny any amin’ny tany izay omeko azy ho lovany. Koa mitandrema mba hahatanteraka araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; fa ny lalana rehetra izay nampandehanan’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin’ny tany izay holovanareo. Ary izao ny lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ny tany izay alehanareo holovana, mba hatahoranao NY TOMPO Andriamanitrao, hitandremanao ny lalànany rehetra sy ny didiny izay omeko anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. Koa mihainoa, ry Israely, ary mitandrema amin’ny fanarahana izany, mba hahita soa ianao ka hitombo indrindra, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao taminao, rahatrizay any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely. Mihainoa ry Israely: NY TOMPO Andriamanitsika dia TOMPO iray ihany. Koa tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny herinao manontolo. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao, ary ampianaro tsara ny zanakao izany ka resaho aminy mandrakariva na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha; ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao, ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao. Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ho any amin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao homena anao ianao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara izay tsy nataonao, trano feno zava-tsoa rehetra izay tsy ianao no nahafeno azy; lavaka famorian-drano nohadiana eo amin’ny vato izay tsy nolavahanao; tany voavoly voaloboka sy hazo oliva izay tsy nambolenao; ary rehefa mihinana ianao ka voky dia mitandrema fandrao hadinonao NY TOMPO izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana. Matahora NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manompoa Azy ary aoka ny anarany no hianiananao. Aza manaraka izay andriamanitra hafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo ireny fa Andriamanitra saro-piaro aminao NY TOMPO Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’NY TOMPO Andriamanitrao ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ny tany ianao. Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. Tandremo tsara ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny teny vavolombelony ary ny lalànany, izay efa nomeny anao. Ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’NY TOMPO mba hahita soa ianao ka hiditra handova ny tany soa izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanao homena azy, sady mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain’NY TOMPO. Raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy hoe: Manao ahoana moa ny teny vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika hotandremanareo? Dia holazainao aminy hoe: Andevon’i Farao tany Ejipta isika ary tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika niala avy tany Ejipta. Ary NY TOMPO nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ny Ejiptiana sy i Farao ary ny ankohonany rehetra teo imasontsika. Dia nitondra antsika niala avy tany Izy mba hahafahany mampiditra antsika sy manome antsika ny tany izay nianianany tamin’ny razantsika homena azy. Ary NY TOMPO nandidy antsika mba hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika mba hahita soa mandrakariva isika ary ho velona tahaka ny amin’izao anio izao. Ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika, araka izay nandidiany antsika. Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana dia firenena maro, izay firenena fito lehibe sy mahery noho ianao, no ho voaroakany hiala eo anoloanao: Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita. Ary rehefa voatolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao dia ataovy ho zavatra voaozona mihitsy izy ireny fa aza manao fanekena aminy na mamindra fo aminy. Aza mifanambady anaka aminy; ny zanakao vavy dia tsy homenao ho vadin’ny zanany lahy, ary ny zanany vavy dia tsy halainao ho vadin’ny zanakao lahy. Fa hampiala ny zanakao lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamanitra hafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ka handringana anao vetivety Izy. Fa izao kosa no ataovinareo aminy: Horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hokapainareo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary hodoranareo amin’ny afo ny sarin-javatra voasokitra. Fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao; satria ianao dia firenena efa nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao ho fananany sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Tsy ny hamaroanareo mihoatra noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’NY TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy aza noho ny firenena rehetra fa ny nitiavan’NY TOMPO anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’NY TOMPO anareo tamin’ny tanany mahery sy nanavotany anareo tamin’ny trano nanandevozana, dia tamin’ny tanan’i Farao, mpanjakan’i Ejipta. Koa aoka ho fantatrao fa NY TOMPO Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby, ary mamaly miharihary amin’ny fandringanana izay mandrafy Azy fa tsy hitaredretra. Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay omeko anao anio, mba arahinao tsara. Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy dia hotanterahin’NY TOMPO Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo izay nianianany tamin’ny razanao. Ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny menakao; hitahy ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao. Hotahìna mihoatra noho ny firenena rehetra ianao; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo. Harovan’NY TOMPO amin’ny aretina koa ianao ka tsy hisy hamelezany anao ny aretin-dratsin’i Ejipta, izay fantatrao; nefa hataony amin’izay rehetra mankahala anao kosa ireny. Holevoninao ny firenena rehetra izay hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao anao, koa aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny. Raha hoy ianao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, koa hataoko ahoana no fahay mandroaka azy? Dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’i Farao sy ny Ejiptiana rehetra, dia ny fizahan-toetra lehibe izay efa hitan’ny masonao, ny famantarana, ny fahagagana, ny tanana mahery ary ny sandry nitsotra, izay namoahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao avy tany; fa toy izany no hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny firenena rehetra izay atahoranao. Ny fanenitra koa dia hampandehanin’NY TOMPO Andriamanitrao ho eo amin’izy ireo mandra-paharingan’izay sisa velona sy izay efa niery ka tsy hitanao. Aza matahotra azy ianao; fa NY TOMPO Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. Horoahin’NY TOMPO Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy haingana ianao, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anao. Fa hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritra azy. Dia hatolony eo an-tananao ka hofoananao tsy ho re etỳ ambanin’ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao fa haringanao avokoa izy rehetra mandra-pahalaniny. Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izany. Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho tonga zavatra voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany satria zavatra voaozona. Ny lalàna rehetra izay omeko anao anio dia tandremo ka araho, mba ho velona sy hihamaro ianareo ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy. Tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao tany an-tany efitra izay efapolo taona izay, fa Izy no hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahafantatra izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, ary nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, mba hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona fa izay rehetra aloaky ny vavan’NY TOMPO. Tsy rovitra ny fitafianao teny aminao ary tsy nivonto ny tongotrao izay efapolo taona izay. Koa aoka ho fantatrao amin’ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ny olona ny zanany no fananaran’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Tandremo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao mba handehananao amin’ny lalany sy hatahoranao Azy. Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina, eny an-dohasaha sy any an-tendrombohitra; tany misy karazam-barimbazaha, voaloboka sy aviavy sy ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely; tany izay hihinananao hanina amin’ny fanaranam-po, sady tsy hisy zava-mahory anao ao; tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin’ny tendrombohiny no hihadianao varahina. Rehefa hihinana ianao ka ho voky dia hisaotra NY TOMPO Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao. Koa mitandrema, fandrao hadinoinao NY TOMPO Andriamanitrao ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalànany, izay omeko anao anio; fandrao rehefa hihinana ianao ka ho voky, fandrao rehefa hanorina trano tsara ianao sady hitoetra ao, fandrao rehefa hihamaro ny ombinao sy ny ondry aman’osinao sady hitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, no hitombo ny fanananao rehetra, dia hiavonavona ny fonao ka hohadinoinao NY TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana, izay nitondra anao tany an-tany efitra lehibe sy mahatahotra, izay misy menarana mandoro sy maingoka, dia ny tany mangetana tsy misy rano; Izy koa no nampivoaka rano ho anao avy tamin’ny vatolampy vatoafo; Izy no nanome anao mana hohanina tany an-tany efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizahana toetra anao nefa hanisy soa anao amin’ny ho avy. Aoka ianao tsy hiteny anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ny tanako no nahavoriako izao harena izao; fa tsarovy NY TOMPO Andriamanitrao, satria Izy no manome anao hery hahavory harena mba haoriny ny fanekeny izay nianianany tamin’ny razanao, tahaka izao anio izao. Fa raha toa ka manadino NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manaraka izay andriamanitra hafa sady manompo azy no miankohoka eo anatrehany dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo. Tahaka ny andringanana ny firenen-tsamihafa, izay aringan’NY TOMPO eo anoloanareo, no handringanana anareo satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo. Mihainoa, ry Israely: Ianao izao dia efa handeha hita an’i Jordana ka hiditra eo amin’ny tany sady handresy firenen-tsamihafa izay lehibe sy mahery noho ianao, ary hahazo tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra, dia firenena lehibe feno olona lava, dia ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ny Anakita? Koa aoka ho fantatrao anio fa NY TOMPO Andriamanitrao no handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, dia Izy no handringana sy hampietry azy ireo eo anoloanao; koa handroaka sy handringana azy ireo haingana ianao, araka izay nolazain’NY TOMPO taminao. Ary rehefa voaroakan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao izy ireo dia aza miteny anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’NY TOMPO ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’NY TOMPO azy ireo eo anoloanao. Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’NY TOMPO Andriamanitrao azy ireo eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao. Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’NY TOMPO Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; satria ianao dia firenena mafy hatoka. Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao NY TOMPO Andriamanitrao tany an-tany efitra; eny, hatramin’ny andro nialanao tany amin’ny tany Ejipta ka hatramin’ny nahatongavanareo teto amin’ity tany ity dia mbola nikomy tamin’NY TOMPO ihany ianareo. Tany Horeba koa aza dia nampahatezitra NY TOMPO ianareo ka tezitra taminareo Izy ary saika nandringana anareo. Raha niakatra tao an-tendrombohitra handray ny vato fisaka aho, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’NY TOMPO taminareo, ka nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano akory, dia nomen’NY TOMPO ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny rantsan-tanan’Andriamanitra; ary teo amin’ireo vato ireo no nisy ireo teny rehetra nolazain’NY TOMPO taminareo tao an-tendrombohitra avy tao afovoan’ny afo nandritra ny andro nivoriana. Nony tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina dia nomen’NY TOMPO ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Miaingà ka midìna haingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao izay ratsy ny olonao izay noentinao nivoaka avy tany Ejipta; efa nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra voarendrika ho azy. Ary hoy koa NY TOMPO tamiko: Efa hitako ity firenena ity fa indro, olona mafy hatoka izy. Avelao Aho handringana azy ka hovonoiko tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny anarany, dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao. Dia nihodina aho ka nidina niala tamin’ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary mbola teny an-tanako roa ny vato fisaka roa nisy ny fanekena. Nijery tokoa aho ka indro, efa nanota tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka nanamboatra ombilahy kely voarendrika ho anareo; nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay efa nasain’NY TOMPO halehanareo ianareo. Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo. Niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina na nisotro rano, noho ny fahotana vitanareo rehetra sy izay ratsy nataonareo teo imason’NY TOMPO ka nampahatezitra Azy. Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, dia ny fahatezeran’NY TOMPO taminareo saika handringanany anareo. Dia nihaino ahy indray NY TOMPO tamin’izay andro izay. Fa tezitra mafy tamin’i Arona NY TOMPO ka saika handevona azy; dia nifona ho an’i Arona koa aho tamin’io andro io. Noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo ka nodorako tamin’ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko ho madinika tahaka ny vovoka; ary nariako teo amin’ny renirano izay midina avy amin’ny tendrombohitra ny vovony. Tao Tabera sy Masa ary Kibrota-Hatava no nanaovanareo izay nahatezitra NY TOMPO. Rehefa nalefan’NY TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo sady nataony hoe: Miakara, lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka tsy nino Azy na nihaino ny feony. Eny, nikomy tamin’NY TOMPO ihany ianareo hatramin’ny andro nahafantarako anareo ka hatramin’izao. Ary niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO aho nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina satria efa nolazain’NY TOMPO fa handringana anareo Izy. Dia nifona tamin’NY TOMPO aho hoe: Andriamanitra TOMPO ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ny fahalehibiazanao ka noentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny tananao mahery. Tsarovy ny mpanomponao, dia i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny na ny fahotany, fandrao izay monina amin’ny tany nitondranao anay niala avy tany hilaza hoe: Satria tsy hain’NY TOMPO ny hitondra azy ho any amin’ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy dia izany no nitondrany azy niala tany mba hahafaty azy atỳ an-tany efitra. Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay noentinao niala tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao natsotra. Tamin’io andro io no nilazan’NY TOMPO tamiko hoe: Aoka ianao hipaika vato fisaka roa tahaka ireo teo aloha dia miakara ho etỳ Amiko, etỳ an-tendrombohitra, ary manaova vata hazo; fa hosoratako amin’io vato fisaka vaovao io indray ireo teny teo amin’ny vato fisaka nomontsamontsanina ka hataonao ao anatin’ny vata ireny. Dia nanamboatra vata tamin’ny hazo akasia aho ary nipaika vato fisaka roa tahaka ny teo dia niakatra tao an-tendrombohitra aho; avy eo dia nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako. Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Teny Folo izay nolazain’NY TOMPO taminareo tao an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana; dia nomen’NY TOMPO ahy ireny. Nihodina aho ka nidina niala teo amin’ny tendrombohitra, ary napetrako tao anatin’ny vata izay nataoko ny vato fisaka ka mbola ao ihany ireny araka izay nandidian’NY TOMPO ahy. Ary nandeha niala tamin’ny fantsakan’i Bene-Jakana ny Zanak’Israely ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’i Arona sy nandevenana azy; ary i Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy. Nony niala tao izy ireo dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy dia nankany Jotbata, tany be ony. Tamin’io andro io no nanokanan’NY TOMPO ny fokon’i Levy hitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy hijoro eo anatrehan’NY TOMPO, hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anarany, mandraka androany. Izany no tsy ananan’ny levita anjara na lova eo amin’ny rahalahiny; NY TOMPO no lovany, araka izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrao taminy. Nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany aho, dia nihaino ahy NY TOMPO ka tamin’io andro io dia tsy nety nandringana anareo Izy. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ny olona, mba hidirany sy handovany ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy. Ary ankehitriny, ry Israely ô, inona moa no andrasan’NY TOMPO Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, hitandrina ny didin’NY TOMPO sy ny lalànany izay omeko anao anio, mba hahita soa ianao? Indro, an’NY TOMPO Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy. Kanefa ny razanao no niraiketan’ny fitiavan’NY TOMPO ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’izao anio izao. Koa forao ny fonareo fa aza mafy hatoka intsony ianareo. Fa NY TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, izay tsy mizaha tavan’olona na mandray kolikoly; manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. Koa tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianareo. NY TOMPO Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao. Izy no fideranao ary Izy no Andriamanitrao izay efa nanatanteraka ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, dia ireo izay efa hitan’ny masonao. Olona fitopolo ny razanao izay nidina tany Ejipta; nefa ankehitriny dia efa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ianao. Tiava NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremo mandrakariva izay asainy hotandremana, dia ny lalànany sy ny fitsipiny ary ny didiny. Aoka ho fantatrao anio, fa izaho dia tsy miteny amin’ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’NY TOMPO Andriamanitrareo, ny fahalehibiazany, ny tanany mahery, ny sandriny natsotra, ny famantarana nataony, ny asany izay nataony tany Ejipta tamin’i Farao, mpanjakan’ny Ejipta, sy ny taniny rehetra, ary izay nataony tamin’ny miaramilan’ny Ejiptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo izy dia voaringan’NY TOMPO mandraka androany; izay nataony taminareo tany an-tany efitra, hatramin’ny nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity; izay nataony tamin’i Datana sy i Abirama, zanak’i Eliaba, zanak’i Robena, teo amin’ny Israely rehetra, dia ilay nisokafan’ny tany sy nitelemany azy mbamin’ny ankohonany sy ny tranolainy ary ny zavamananaina izay nomba azy; fa efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’NY TOMPO ny masonareo. Koa tandremo ny lalàna rehetra izay omeko anareo anio, mba hahery ianareo, ka hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana, ary mba ho maro andro ianareo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely. Fa ny tany izay hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta, izay nialanareo, izay namafazanao voan-javatra sy nandeman’ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolena anana. Fa ny tany izay halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ny ranonoran-danitra, ary tany izay tandreman’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny mason’NY TOMPO Andriamanitrao dia mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany. Koa raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo, dia halatsako eo amin’ny taninareo amin’ny fotoanany ny ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao; ary hampaniriako ahitra ho an’ny biby fiompinao ny sahanao, dia hihinan-kanina ianao ka ho voky. Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamanitra hafa sy hiankohoka eo anatrehany; fa hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ka hanampina ny lanitra Izy, ary tsy hisy ranonorana, sady tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana haingana tsy ho eo amin’ny tany soa izay omen’NY TOMPO anareo ianareo. Koa alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, fehezo ho famantarana eo amin’ny tananareo, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinareo; ampianaro ny zanakareo izany ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha; ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao izany; mba ho maro toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy. Fa raha mitandrina tsara izao lalàna rehetra izay omeko anareo izao ianareo ka manaraka azy ary ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo sy handeha eo amin’ny lalany rehetra ary hifikitra aminy dia horoahin’NY TOMPO eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo dia haharesy firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo. Ny tany rehetra izay hodiavin’ny faladian’ny tongotrareo dia ho anareo: Hatreo amin’ny tany efitra sy i Libanona ary hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranomasina andrefana no ho faritaninareo. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’NY TOMPO Andriamanitrareo azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo. Indro aho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: Fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay omeko anareo anio; nefa ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny lalana izay asaiko andehananareo anio ianareo ka hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo. Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay alehanao holovana, dia fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizima ary fanozonana kosa raha eo an-tendrombohitra Ebala. Tsy any andafin’i Jordana va ireo tendrombohitra ireo, any ankoatra ny lalana andrefana, amin’ny tanin’ny Kananita, izay monina ao amin’ny tany ngazana tandrifin’i Gilgala, eo anilan’ny hazo terebintan’i More? Fa efa handeha hita an’i Jordana ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo; handova azy ianareo ka honina ao. Koa tandremo ny fanarahanareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio. Toy izao ny didy sy fitsipika izay hotandremanareo ka harahinareo any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ny tany: Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ireo firenen-tsamihafa izay noroahinareo, ny andriamaniny teny ambonin’ny tendrombohitra avo sy havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra. Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany. Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo. Fa ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fokonareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo. Any no hitondranareo ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitrareo an-tsitrapo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo; any ianareo sy ny ankohonanareo no hihinana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo; ary aoka hifaly ianareo amin’izay rehetra noharìn’ny tananareo, izay efa nitahian’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Aza manao toy izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay heveriny ho mahitsy izao. Fa ianareo dia tsy mbola tonga any amin’ny fitsaharana sy ny lova omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Fa rehefa tafita an’i Jordana ianareo ka monina any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo holovana, sady homeny fitsaharana amin’ny ady amin’ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fehizay, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’NY TOMPO. Dia hifaly eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanompolahinareo, ny mpanompovavinareo, ary ny levita izay ao an-tanànanareo; fa ny levita dia tsy mba manana anjara na lova eo aminareo. Mitandrema mba tsy hatolotrao eny amin’izay tany rehetra tianao any ny fanatitrao dorana manontolo; fa ao amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO ihany amin’ny iray amin’ireo fokonao no hanoloranao azy, sady ao koa no hanatanterahanao izay rehetra andidiako anao. Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’NY TOMPO Andriamanitrao izay omeny anao; na ny olona tsy madio na ny madio, dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera. Kanefa, aza hanina ny rany, fa aidino amin’ny tany toy ny rano. Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanatitrao an-tsitrapo, na ny fanomezana atolotrao. Fa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ary ny levita izay ao an-tanànanao; hifaly eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra noharìn’ny tananao. Mitandrema mba tsy hataonao an-tsirambina ny levita amin’ny andro rehetra hiainanao amin’ny taninao. Raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ianao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irinao ianao. Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hasiany ny anarany dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’osinao izay nomen’NY TOMPO anao, araka izay nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irinao izany. Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny; na ny olona tsy madio na ny madio dia samy mahazo mihinana azy. Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra, fa ny ra no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin’ny hena ianao. Aza mihinana ny ra ianao fa aidino amin’ny tany toy ny rano izy; eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO. Fa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO. Ary atolory eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao ny fanatitrao dorana manontolo, dia ny henany sy ny rany; ary ny ran’ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany. Tandremo ka henoy izao teny rehetra izao izay omeko anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manatanteraka izay tsara sy mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamihafa izay alehanao ka horesenao, ary handresy azy ireny ianao ka honina eo amin’ny taniny, dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianao ka miteny hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa dia mba hanao toy izany. Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’NY TOMPO, no nataony tamin’ny andriamaniny; ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny. Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo ka araho; aza ampianao na anesoranao ireny. Raha toa ka misy mpaminany na mpanonofy mitsangana eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao sady miteny hoe: Andeha isika hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrao ka aoka hanompo azy isika; na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo NY TOMPO Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ny fitiavana NY TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo ianareo na tsia. Manaraha NY TOMPO Andriamanitrareo ka aoka Izy no hatahoranareo, ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hovonoina ho faty satria efa nanao teny fampikomiana amin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo niala avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanavotra anao tamin’ny trano nanandevozana, mba hitaona anao hiala amin’ny lalana izay nasain’NY TOMPO Andriamanitrao halehanao. Dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady andefimandrinao, na ny namanao izay toy ny tenanao, ka miteny hoe: Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatrao, na ny razanao, dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaiky anao na ny lavitra anao, hatramin’ny faran’ny tany rehetra, dia aza manaiky na mihaino azy akory ianao; ary aza mba iantran’ny masonao izy, na amindranao fo na afeninao; fa vonoy ho faty izy; ny tananao no hamono azy voalohany, izay vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anao hiala amin’NY TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niala avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana. Ary handre izany ny Israely rehetra dia hatahotra ka tsy hanao ratsy eo aminao toy izany intsony. Raha mandre teny ny amin’ny tanànanao iray izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao honenanao ianao hoe: Nisy olona tena ratsy fanahy avy teo aminao ka nitaona ny mponina tao an-tanànany hoe: Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo, dia hadihadio sy fotory ary adino tsara. Koa raha fantatra fa nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany dia asio amin’ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’io tanàna io ka ataovy ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ny lelan-tsabatra ihany koa. Ary angony eo afovoan’ny kianja ny entana nobaboina rehetra ka doroy amin’ny afo ho an’NY TOMPO Andriamanitrao avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra tao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony. Dia aoka tsy hisy hiraikitra amin’ny tananao akory ny zavatra efa natolotra ho zavatra voaozona, mba hitsaharan’NY TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra ka hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hanamaroany anao araka izay nianianany tamin’ny razanao, raha henoinao ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremanao ny didiny rehetra izay omeko anao anio, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao. Zanaky NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ny handrinareo noho ny amin’ny maty. Fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho fananany sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Aza mihinana izay rehetra fahavetavetana. Fa ireto avy ireo biby azonareo hanina: Ny omby, ny ondry, ny osy, ny diera, ny gazela, ny ombidia, ny osidia, ny antilopa, ny ombimanga ary ny osidia izay any an-tendrombohitra. Izay biby rehetra mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika no azonareo hanina. Nefa amin’ireo mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy azonareo hanina: Ny rameva sy ny bitro ary ny hiràka, satria mandinika ihany izy ireny nefa tsy mivaky kitro; maloto aminareo ireny; ny kisoa koa, satria mivaky kitro nefa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan’ireny dia tsy ho fihinanareo ary ny fatiny dia tsy hokasihinareo. Ary amin’izay rehetra ao anatin’ny rano dia izay rehetra misy vombony sy kirany no azonareo hanina; fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy azonareo hanina, satria maloto aminareo ireny. Ny vorona madio rehetra dia azonareo hanina. Nefa izao kosa no aoka tsy hohaninareo: Ny vaotoro, ny gipa, ny ankoay, ny papango, ny voromahery, ny papango mainty samy araka ny karazany avy, ny goaika rehetra samy araka ny karazany avy, ny aotirisy, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika samy araka ny karazany avy, ny vorondolo, ny vorondolo lehibe, ny ibisy, ny sama, ny vaotoro madinika, ny manarana, ny vano samy araka ny karazany avy, ny takidara, ary ny manavy. Ny bibikely mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy azonareo hanina. Ny biby manana elatra izay madio no azonareo hanina. Aza mihinana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanao ireny mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny. Aloavy tsara ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona; aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, mba hianaranao hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao mandrakariva. Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka hoentinao eo an-tananao hankany amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao; ividiano izay rehetra tianao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na divay mahery, na izay zavatra hafa tianao io vola io; ary aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ny ankohonanao. Ary ny levita izay ao an-tanànanao dia aza ataonao an-tsirambina; fa tsy manana anjara lova eo aminao izy. Isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany ka ataovy ao an-tanànanao; dia aoka ho avy ny levita, satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana ireo ka ho voky, mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny asan’ny tananao rehetra ianao. Isaky ny fito taona dia manaova fanafahan-trosa ianao. Toy izao no fomban’ny fanafahan-trosa: Hamoy ny trosany rehetra ny tompon-trosa rehetra izay nampindram-bola tamin’ny namany; tsy hanery ny namany, izay rahalahiny handoa azy, satria antsoina hoe Fanafahan’NY TOMPO izany. Ny olona hafa firenena ihany no azonao enjehina; fa izay anao any amin’ny rahalahinao kosa dia hafoinao; kanefa tsy dia hisy mahantra eo aminao, fa hitahy anao tokoa NY TOMPO eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao, raha mihaino tsara ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ireo lalàna rehetra ireo, izay andidiako anao anio. Fa hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy taminao; hampisambotra vola ny firenena maro ianao fa ianao kosa dia tsy hisambotra; ary hifehy firenena maro ianao fa ireny kosa dia tsy mba hifehy anao. Raha misy mahantra ny rahalahinao ao an-tanànanao iray, amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra; fa sokafy tsara aminy ny tananao ka ampisambory izay ilainy izy, araka izay mahory azy. Mitandrema anefa, fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao milaza hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao mahantra ianao ka tsy hanome azy akory; dia hitaraina amin’NY TOMPO hiampanga anao izy ka ho fahotanao izany. Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao. Fa ny tany dia tsy ilaozan’izay olo-mahantra, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao. Raha namidy taminao ny namanao, na lehilahy, na vehivavy hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ny taona fahafito. Ary rehefa votsoranao ho afaka izy dia tsy havelanao handeha tanam-polo; fa hisy hampitondrainao azy avy amin’ny ondry aman’osinao sy avy amin’ny famoloananao ary avy amin’ny famiazanao; araka izay efa nitahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao no hanomezanao azy. Tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao nefa nanavotra anao NY TOMPO Andriamanitrao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio. Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao fa finaritra aminao izy, dia halainao ny fanjaibe ka hotevehinao amin’ny varavarana ny sofiny dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin’ny mpanompovavinao. Aza ataonao ho sarotra aminao ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ny mpikarama no azonao tamin’ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra ataonao. Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao dia hohamasininao ho an’NY TOMPO Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinao. Eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin’ny fitoerana izay hofidin’NY TOMPO. Fa raha manan-kilema izy, na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa, dia aza vonoinao ho fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ireny, fa ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona tsy madio na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera. Kanefa ny rany no aza hanina, fa aidino amin’ny tany toy ny rano. Tandremo ny volana Abiba ka ataovy ny Paska an’NY TOMPO Andriamanitrao; fa tamin’ny volana Abiba no nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny alina. Vonoy ny Paska an’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ondry aman’osy sy omby, eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO hampitoerany ny anarany. Aza mihinana ny misy masirasira miaraka aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta ka hotsarovanao amin’ny andro rehetra hiainanao io andro izay nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta io. Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao sy ao amin’ny faritaninao mandritra ny hafitoana; aoka koa tsy hisy ho tavela miloaka alina ny henan’ny fanatitra izay novonoinao tamin’ny harivan’ny andro voalohany. Tsy hisy azonao amonoana ny Paska anefa ny tanànanao rehetra izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao; fa eo amin’ny fitoerana izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka ilay nivoahanao avy tany Ejipta. Hahandroinareo izy, dia hano eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao; ary amin’ny maraina dia modia any amin’ny tranolainao. Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara fivoriana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ka tsy hanaovana raharaha amin’io. Manisà herinandro fito; manomboka amin’ny andro iandohan’ny fijinjam-bary no hanisanao azy. Dia ankalazao ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro manaraka ireo Herinandro ireo ka manolora fanatitra an-tsitrapo, izay homenao araka izay itahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao; ary mifalia eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao miaraka amin’ny ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao ary ny levita izay ao an-tanànanao mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. Tsarovy fa andevo tany Ejipta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo. Tandremo mandritra ny hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin’ny famoloananao sy ny famiazanao. Ary mifalia ianao miaraka amin’ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao ary ny levita mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao amin’ny andro firavoravoanao. Hafitoana no hitandremanao andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO, satria hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny vokatrao rehetra sy ny asan’ny tananao rehetra ka hifaly tokoa ianao. Intelo isan-kerintaona no hiseho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ny lehilahy rehetra ao aminao, eo amin’ny tany izay hofidiny, dia amin’ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’NY TOMPO; fa samy hanolotra izay zakany avy, araka ny fitahiana izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, araka ny fokonao; dia hitsara ny olona amin’ny fitsarana marina ireo. Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona ary aza mandray kolikoly; fa mahajamba ny mason’ny hendry ny kolikoly ary mamadika ny tenin’ny marina. Ny tena marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Aza manangana hazo ho tsangankazon-tsampy eo anilan’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao, izay ataonao ho anao. Ary aza manao tsangambaton-tsampy ho anao; fa halan’NY TOMPO Andriamanitrao izany. Aza vonoina hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrao, na omby na ondry na osy, izay ratsy na misy kilema, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny manao izany. Raha misy hita manao izay ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy ka mivadika ny fanekeny ary lasa mandeha manompo andriamanitra hafa sy mivavaka aminy, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, na amin’ny kintana eny amin’ny lanitra, araka izay zavatra efa nandrarako azy ka voalaza aminao sy renao izany, dia diniho tsara; koa raha nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo amin’ny Israely io fahavetavetana io dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ary torahy vato ho faty. Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafatesana azy. Ny tanan’ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra; hofongoranao tsy ho eo aminao tokoa ny fanao ratsy. Raha misy raharaha sarotra tsaraina loatra ka tsy efanao, na mikasika ny ra latsaka, na ny ady, na ny vonoan’olona, izay mety hiadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao ka miakara any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao, ary mankanesa any amin’ireo levita mpisorona sy any amin’ny iray izay mpitsara amin’izany andro izany ka manontania, dia hambarany aminao ny didim-pitsarana. Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO, dia mitandrema ka ataovy araka izay rehetra hatorony anao. Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia. Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty; hofongoranao tsy ho eo amin’ny Israely ny fanao ratsy. Ary ny vahoaka rehetra dia handre ka hatahotra ary tsy hiavonavona intsony. Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary milaza hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy, dia izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: Iray amin’ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ny rahalahinao ianao. Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Ejipta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy NY TOMPO taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony. Ary aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena betsaka ho azy izy. Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany izy dia aoka hanaovany dika mitovy amin’izay any amin’ny levita mpisorona izao lalàna izao. Ary ho eo akaikiny izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra NY TOMPO Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ny lalàna, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba ho maro andro amin’ny fanjakany eo amin’ny Israely izy sy ny taranany. Tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ny Israely ny levita mpisorona, dia ny fokon’i Levy rehetra; fa ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny anjaran’NY TOMPO no ho fihinany. Tsy hanan-dova eo amin’ny rahalahiny izy; NY TOMPO no lovany, araka izay nolazainy taminy. Ary izao no ho anjaran’ny mpisorona avy amin’ny olona, dia avy amin’izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: Homena ho an’ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony roa ary ny vavoniny. Homenareo azy koa ny voaloham-bokatry ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan’ny volon’ondrinao. Fa izy sy ny taranany no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny fokonao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana amin’ny andro rehetra amin’ny anaran’NY TOMPO. Raha misy levita miala amin’ny tanànanao iray, izay nivahiniany, tany amin’ny Israely rehetra ka mandeha araka ny fanirian’ny fony ho any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO, ary manao fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny, tahaka ny levita rahalahiny rehetra izay mitsangana eo anatrehan’NY TOMPO, dia anjara mitovy amin’ny anjaran’ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay azony tamin’ny nivarotany izay fananana avy tamin’ny rainy. Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao dia aza mianatra manao araka ny fahavetavetana ataon’ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamakivaky afo, na mpisikidy, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpitahiry ody, na manao azy ho masim-bava, na mpanadina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty, na mpisikidy, na mpila hevitra amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra manao ireo zavatra ireo, ary izany fahavetavetana izany no androahan’NY TOMPO Andriamanitrao azy eo anoloanao. Aoka ianao ho tanteraka eo amin’NY TOMPO Andriamanitrao. Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy; fa ianao kosa dia tsy navelan’NY TOMPO Andriamanitrao hanao izany. Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao: Izy no hohenoinareo. Araka izay rehetra nangatahinao tamin’NY TOMPO Andriamanitrao tao Horeba tamin’ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy. Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny tahaka anao ka hataoko eo am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazain’io mpaminany io amin’ny anarako, dia Izaho no hitsara azy. Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ny anarako, nefa tsy araka izay nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ny anaran’ny andriamanitra hafa, dia hovonoina. Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’NY TOMPO? Raha miteny amin’ny anaran’NY TOMPO ny mpaminany ka tsy mitranga na tsy tanteraka ilay zavatra nolazainy dia teny izay tsy nolazain’NY TOMPO izany, fa tamin’ny fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao ny firenena samihafa izay tompon’ny tany omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony, dia manokàna tanàna telo eo afovoan’ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao holovana. Manamboara lalana ka zarao ho telo toko ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao holovanao, fa ao no handosiran’izay rehetra mahafaty olona. Ny nahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia izay nahafaty tsy nahy ny namany ka tsy nankahala azy teo aloha; raha misy olona miaraka amin’ny namany ho any an’ala hanapaka hazo ka manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, ary mitsoaka amin’ny zarany ny lelam-pamaky ka mahavoa ny namany ary mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy ka hovelomina; fandrao hanenjika ilay nahafaty olona ny mpamaly ra, raha mbola mirehitra ny fony ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy satria tsy nankahala ny namany talohan’ny nahafatesany azy. Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo. Ary raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritry ny taninao, araka izay nianianany tamin’ny razanao ka homeny anao ny tany rehetra izay nampanantenainy homena ny razanao, raha mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra andidiako anao anio izao ianao sady ho tia NY TOMPO Andriamanitrao, no handeha mandrakariva amin’ny lalany, dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny; mba tsy hisy ran’ny tsy manan-tsiny halatsaka eo amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao ka tsy ho meloka amin’ny ra ianao. Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manao vela-pandrika aminy, ary mitsangana hamely mahafaty azy, nefa mandositra ho ao amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo, dia haniraka haka azy ao ny loholona amin’ny tanànany ka hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly ra, mba hovonoina ho faty izy. Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ny Israely ny heloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny mba hahita soa ianao. Aza manakisaka ny faritry ny tanin’ny namanao, izay efa vitan’ny razana teo amin’ny zarataninao, izay azonao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao holovanao ianao. Raha vavolombelona iray monja dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona amin’izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny. Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao izay ratsy dia hitsangana eo anatrehan’NY TOMPO izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara amin’io andro io; ary raha hadinin’ny mpitsara mafy izy ireo ka hitany fa vavolombelona mandainga ilay miampanga ny namany dia araka izay nokasainy hatao amin’ny namany no hataonareo aminy; fa hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao tahaka ireny ratsy ireny eo aminao intsony. Fa tsy hiantra azy ny masonao; ary aina no hataonao solon’ny aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra. Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy fitondra miady ary olona maro noho ianao dia aza matahotra azy; fa NY TOMPO Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, no momba anao. Rehefa hanafika ianareo dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin’ny olona hoe: Mihainoa, ry Israely ô, fa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro eo anoloany; fa NY TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo. Dia hiteny amin’ny olona ireo mpifehy azy hoe: Iza no olona izay nanorina trano vaovao nefa tsy mbola notokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady ka olon-kafa no hitokana ny tranony. Iza no olona izay nanamboatra tanim-boaloboka nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady ka olon-kafa no hihinana ny vokatra. Ary iza no olona izay nifofo vady nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny. Ary mbola hiteny amin’ny olona ihany ny mpifehy azy hoe: Iza no olona izay matahotra sy osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ny rahalahiny. Rehefa vitan’ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin’ny olona dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy. Rehefa manakaiky ny tanàna hiadiana ianao dia milazà fihavanana aminy. Raha fihavanana no avaliny anao ka mampandroso anao izy dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao ka hanompo anao. Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te hiady aminao, dia ataovy fahirano. Ary rehefa atolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo an-tananao izy dia hovonoinao amin’ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao. Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy mbamin’izay rehetra ao an-tanàna kosa, dia hoentinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin’ny fahavalonao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Toy izany no hataonao amin’ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan’ireto firenena ireto. Fa ny tanànan’ireto firenena ireto kosa, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao. Ataovy ho zavatra voaozona avokoa ireo, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao, izany dia mba tsy hampianarany anareo ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin’ireo andriamaniny ka tsy hanotanareo amin’NY TOMPO Andriamanitrareo. Raha maharitra ela ny fanaovanao fahirano ny tanàna izay tafihinao mba halaina dia aza kapaina ho simban’ny famaky ny hazo maniry eo aminy; fa hisy hohaninao amin’ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha no hataonao fahirano? Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny. Raha toa ka misy maty novonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy, dia handeha ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin’ny faty ka hatramin’izay tanàna manodidina azy. Ary ny loholona amin’ny tanàna izay akaikin’ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nitondra zioga. Ary ilay ombivavy kely dia hoentin’ny loholona amin’io tanàna io midina any amin’izay lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony. Ary hanatona ireo mpisorona, taranak’i Levy, fa izy no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anaran’NY TOMPO; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny fifamonoana rehetra. Ary ny loholona rehetra amin’izany tanàna akaikin’ny faty izany dia hanasa ny tanany eo ambonin’ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony, no sady hiloa-bava hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity ra ity sady tsy nahita izany ny masonay. TOMPO ô, mamelà ny heloky ny Israely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Israely olonao ny ran’ny tsy manan-tsiny! Dia ho afa-keloka amin’izany ra izany izy ireo. Ka hesorinao ho afaka aminao ny ran’ny tsy manan-tsiny, raha hanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO ianao. Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao, sady misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin’ny babo ka tianao hovadina, dia ento ho ao an-tranonao izy ka asaivo haratany ny lohany, alàny ny hohony, ary esoriny koa ny fitafiany tamin’ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny. Rehefa afaka izany, izay vao mahazo mandry aminy ianao ka hanambady azy, ary ho vadinao izy. Fa raha tsy tianao intsony Ravehivavy dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy fa aza mivarotra azy hatakalo vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao. Raha misy lehilahy mampirafy ka tiany ny iray fa tsy tiany kosa ny iray, ary samy miteraka aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak’ilay tsy tiany no lahimatoa; amin’ny andro hanaovany didim-pananana ho an’ny zanany lahy dia tsy azo atao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany; fa ny lahimatoa, zanak’ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjara avo roa heny amin’izay rehetra ananany; fa voalohan-janany izy ka azy ny fizokiana. Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ny rainy, na ny feon’ny reniny, sady tsy zakany anarina, dia hosamborin’ny rainy sy ny reniny izy ka hoentiny eo amin’ny loholona ao amin’ny tanànany, eo amin’ny vavahadin’ny tanàna onenany; dia hiteny amin’ny loholona amin’ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy mpimamo. Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; fa hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Israely rehetra dia handre izany ka hatahotra. Raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka vonoina ary ahantona amin’ny hazo dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’iny ihany izy; fa voaozon’Andriamanitra izay mihantona amin’ny hazo; koa aza lotoina ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao. Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ny rahalahinao dia aza jerem-potsiny izany, fa tsy maintsy averinao any amin’ny rahalahinao mihitsy izy ireo. Raha tsy akaiky anao na tsy fantatrao ny rahalahinao dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra ao aminao mandra-pitadin’ny rahalahinao azy ka hamerenanao azy. Toy izany koa no hataonao amin’ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza jerem-potsiny. Raha hitanao potraka any an-dalana ny borikin’ny rahalahinao, na ny ombiny, dia aza jerem-potsiny; fa ampio ny rahalahinao hanarina azy. Aoka tsy hanao fitafian-dehilahy ny vehivavy ary aoka tsy hanao fitafiam-behivavy ny lehilahy fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny olona rehetra izay manao izany. Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ny efa foy na mbola atodiny, ary ny reniny dia manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny miaraka amin’ny zanany. Tsy maintsy alefanao ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao mba hahita soa ianao ka ho maro andro. Raha manorina trano vaovao ianao dia asio arofanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera avy eny ka hahatonga heloka ny amin’ny ra ho ao an-tranonao ianao. Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao miara-tonga zava-masina ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao. Aza ampiarahina miasa tany ny omby sy ny boriky. Aza mitafy lamba volon’ondry sy rongony mifamahofaho. Asio vona ny zorony efatra amin’ny lambanao izay tafinao. Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy ka tsy tiany indray Ravehivavy, fa sady haratsiny sy alàny baraka no ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijiny, dia halain’ny ray aman-drenin-dRazazavavy ny famantarana azy ho virijiny ka hoentiny ho eo amin’ny loholona ao amin’ny tanàna eo am-bavahady. Ary hiteny amin’ny loholona ny rain-dRazazavavy hoe: Ny zanako vavy dia nomeko ho vadin’io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray; ary indro efa noharatsìny ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao vavy ho virijiny; kanefa indreto ny famantarana ny zanako vavy ho virijiny. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ny loholona amin’ny tanàna izy mivady. Ary halain’ny loholona ao amin’ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaiziny. Dia hosaziny sekela volafotsy zato koa izy, homena ny rain-dRazazavavy, satria nahafa-baraka ny virijiny iray tamin’ny Israely Ralehilahy; nefa ho vadiny ihany Razazavavy ka tsy azony isaorana amin’ny andro rehetra iainany. Fa raha marina kosa izay nolazainy ka tsy hita ny famantarana an-dRazazavavy ho virijiny dia havoakany ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranon’ny rainy Razazavavy ka hotorahan’ny mponina ao amin’ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ny Israely izy ka nijangajanga tao an-tranon’ny rainy; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy amin’izay. Raha misy lehilahy fantatra fa mandry amin’ny vehivavy vadin’olona dia samy hovonoina izy roa, na Ralehilahy izay nandry tamin-dRavehivavy, na Ravehivavy; satria hofongoranao tsy ho eo amin’ny Israely ny fanao ratsy. Raha misy zazavavy virijiny voafofo ho vadin’olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy, dia havoakanareo ho eo amin’ny vavahadin’izany tanàna izany izy roa ka hotorahanareo vato ho faty: Razazavavy moa, satria tsy niantso vonjy nefa tao an-tanàna ihany; ary Ralehilahy kosa, satria nandry tamin’ny vadin’ny namany; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. Raha any an-tsaha kosa no ahitan-dRalehilahy an-dRazazavavy voafofo ho vadin’olona, ary misavika azy Ralehilahy ka mandry aminy, dia Ralehilahy izay nandry taminy ihany no hovonoina. Fa Ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona satria tsy misy ota tokony hahafaty azy; tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy izany satria tany an-tsaha no nahitany azy, ary niantso vonjy ihany Razazavavy voafofo ho vadin’olona, nefa tsy nisy namonjy azy. Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijiny izay tsy voafofo ho vadin’olona ka misavika azy sady mandry aminy, koa tratra izy roa, dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy satria efa nosavihiny sady nandriany ka tsy azony isaorana izy amin’ny andro rehetra hiainany. Tsy mahazo maka ny vadin’ny rainy ny olona, na mandry amin’izay nandrian’ny rainy. Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany. Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO ny zazasary. Na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO. Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO ny Amonita sy ny Moabita. Na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO hatramin’ny mandrakizay ireny, satria tsy nitsena anareo tamin’ny mofo sy rano teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Ejipta ianareo, ary satria nanangoly an’i Balama, zanak’i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy. Kanefa NY TOMPO Andriamanitrao tsy nety nihaino an’i Balama fa nampody ny fanozonana anao ho fitahiana Izy noho ny fitiavany anao. Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ny andronao rehetra mandrakizay. Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita fa rahalahinao izy, na ny Ejiptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianao. Ny zafiafin’ireo dia hahazo miditra amin’ny fiangonan’NY TOMPO. Raha miainga hiady amin’ny fahavalonao ny tafikao dia mifadia ny ratsy rehetra. Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ny alina, dia hivoaka ho eny ivelan’ny toby izy fa tsy hiditra ao anatiny. Aoka handro amin’ny rano izy rehefa hariva; ary rehefa tokony ho maty masoandro dia mahazo miverina ao amin’ny toby indray izy. Aoka hisy tany voafaritrao ho fivoahanao any ivelan’ny toby; ary mitondrà tsatòka miaraka amin’ny fitaovanao, koa raha hipetraka eny ivelany ianao dia mihadia lavaka amin’ny tsatòka ka totofy ny fivalananao. Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia mandeha eo afovoan’ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ho masina ny tobinao, ary mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy ka tsy hiala aminao. Aza atolotrao amin’ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao. Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy. Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ny Israely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. Aza mitondra ny karama maloton’ny vehivavy janga na ny karaman’alika, ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo. Aza mampanjanaka zavatra amin’ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampanjanahina. Ny olona hafa firenena ihany no hampanjanahinao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanjanahinao; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra ataon’ny tananao eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana. Raha mivoady amin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao dia aza ela fanefa, fa hadinin’NY TOMPO Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotanao. Fa raha tsy mivoady ianao dia tsy fahotanao izany. Izay aloaky ny vavanao dia tandremo ka tanteraho, araka ny nivoadianao an-tsitrapo tamin’NY TOMPO Andriamanitrao ihany, dia izay nolazain’ny vavanao. Raha mankany amin’ny tanim-boaloboky ny namanao ianao dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao, nefa aza mitondra mody. Raha mankany amin’ny tanimbarin’ny namanao ianao dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao, nefa aza jinjainao amin’ny antsimbary ny varin’ny namanao. Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony Ravehivavy noho ny nahitany fahalotoana teo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dRavehivavy izy ka hanolotra izany eo an-tanany ary hampiala azy ao an-tranony. Ary rehefa miala ao an-tranony Ravehivavy dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa. Ary raha tsy tia an-dRavehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tanany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana, dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay nanambady azy taloha izay nisaraka taminy, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izany; aza mampiditra heloka amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao. Raha misy lehilahy vao nampaka-bady dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny. Aoka tsy hisy olona haka fikosoham-bary ho antoka, na ny vatony ambony ihany aza; fa maka ny aina ho antoka izany. Raha misy olona tratra mangalatra ny iray amin’ny Zanak’Israely rahalahiny ka manandevo azy na mivarotra azy dia hovonoina izany mpangalatra izany. Hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. Mitandrema ny amin’ny habokana ka araho tsara izay rehetra hatoron’ny levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina. Tsarovy izay nataon’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’i Miriama teny an-dalana tamin’ny nivoahanareo avy tany Ejipta. Raha mampisambotra zavatra ny namanao ianao dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka avy aminy. Mijanòna eo alatrano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo alatrano. Ary raha mahantra Ralehilahy dia aza tananao miloaka alina ny antoka, fa tsy maintsy haverinao aminy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao izany. Aza manao fitondrana hafahafa amin’ny mpikarama mahantra sy sahirana, na rahalahinao na vahiny ao amin’ny taninao sy ao an-tanànanao. Fa amin’ny andro iasany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa mahantra izy ka izany no irin’ny fony; fandrao hitaraina amin’NY TOMPO noho ny nataonao izy, dia ho fahotana ho anao izany. Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina amin’ny fahotany avy ihany ny olona. Aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka. Tsarovy fa andevo tany Ejipta ianao, ary NY TOMPO Andriamanitrao no nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanatanteraka ireo zavatra ireo. Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao ka misy amboara hadinonao any dia aza miverina haka azy fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao. Raha manintsana ny hazo olivanao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Raha mioty ny voalobokao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao; koa izany no andidiako anao ireo zavatra ireo. Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ny fitsarana mba ho tsarain’ny mpitsara dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka. Raha tokony hokapohina ny meloka dia aoka hampandrian’ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony ny isan’ny kapoka hatao aminy. Hatramin’ny efapolo no kapoka azo atao aminy, fa tsy azo atao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao. Aza manakombona ny vavan’ny omby manosihosy vary. Raha misy mpirahalahy miara-monina ka maty momba ny iray dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin’ny maty; fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy. Ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran’ilay rahalahiny izay efa maty mba tsy ho faty maso eo amin’ny Israely izy io. Ary raha tsy ankasitrahin-dRalehilahy ny hitondra loloha ny vadin’ny rahalahiny dia aoka hankeo amin’ny vavahady ho eo amin’ny loholona Ravehivavy ka hiteny hoe: Ny rahalahin’ny vadiko dia tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy. Dia antsoin’ny loholona ao amin’ny tanàna Ralehilahy ka adininy; ary raha mikiry izy ka miteny hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy, dia hanatona azy eo anatrehan’ny loholona ny vadin’ny rahalahiny ka hanala ny kapa amin’ny tongo-dRalehilahy, dia handrora amin’ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin’izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny. Ary ny anaran-dRalehilahy dia hatao eo amin’ny Israely hoe Fianakavian’ilay nalana kapa. Raha misy olona miady ka manatona hamonjy ny vadiny amin’ny tanan’izay mamely azy ny vadin’ny iray, ary manatsotra ny tanany ka mandray azy amin’ny ankasarotana, dia hotapahinao ny tanany; fa tsy hiantra azy ny masonao. Aoka tsy hisy vato roa samihafa, lehibe sy kely, ao anatin’ny kitaponao. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao. Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao mba ho maro andro ianao any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izay rehetra mahavita ireo zavatra ireo, dia izay rehetra manao ny tsy marina. Tsarovy izay nataon’ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin’ny nivoahanareo avy tany Ejipta, dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodilalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aoriananao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an’Andriamanitra izy. Rehefa omen’NY TOMPO Andriamanitrao fitsaharana amin’ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao dia hovonoinao tsy ho eo ambanin’ny lanitra intsony ny fahatsiarovana ny Amalekita; aza hadinoinao izany. Rehefa tonga ao amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao dia akao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ny tany, izay alainao avy amin’ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. Dia mankanesa ao amin’ny mpisorona amin’io andro io ka lazao aminy hoe: Manambara amin’NY TOMPO Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razantsika homeny antsika. Horaisin’ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao. Dia hiteny eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao hoe: Arameana mpanjenjena no raiko ka nidina tany Ejipta izy, dia nivahiny tany mbamin’ny olom-bitsy; ary tonga firenena lehibe sy mahery sady maro an’isa tany izy. Ary nanao izay ratsy tamintsika ny Ejiptiana ka nampahory sy nampanao fanompoana mafy antsika. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razantsika, isika ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asa mafy nataontsika ary ny fahoriantsika; tanana mahery sy sandry natsotra, asa lehibe sady mahatahotra, famantarana sy fahagagana no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta, dia nitondra antsika niditra teto amin’ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. Ankehitriny, TOMPO ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ny tany izay nomenao ahy. Avelao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ny voaloham-bokatra noentinao ary miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao. Mifalia ianao sy ny levita mbamin’ny vahiny eo aminao amin’ny soa rehetra izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao. Rehefa voaangonao ny fahafolonkarena rehetra avy amin’ny vokatrao amin’ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolonkarena, dia mba omeo ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, mba hisy hohaniny ao an-tanànanao ka ho voky izy. Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy. Tsy nisy nohaniko teo amin’ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitro aho ka nanatanteraka izay rehetra nandidiany ahy. Tsinjovy ao amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio ny Israely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely. Anio no andidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ireo. Efa nampianiana NY TOMPO ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, koa handeha amin’ny lalany sy hitandrina ny lalànany sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ka hihaino ny feony. Ary efa nampianiana anao NY TOMPO androany fa firenena fananany sarobidy indrindra ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra, sy hanandratany anao ho ambonin’ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho laza ary ho voninahitra; ary mba ho firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy. Nandidy ny vahoaka i Mosesy sy ny loholon’ny Israely hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay omeko anao anio. Amin’ny andro izay hitànareo an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao dia manangàna vato lehibe ho anao ka lalory sokay; dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianao ka hiditra ao amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, taminao. Rehefa tafita an’i Jordana ianareo dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato izay nandidiako anareo androany ireo ka lalory sokay. Ary manorena alitara ao ho an’NY TOMPO Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehina amin’ny vy izany. Vato tsy voapaika no hataonao alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao ka manolora fanatitra dorana manontolo eo amboniny ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ary manolora koa fanati-pihavanana ka mihinàna sy mifalia eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao. Ary soraty amin’ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ity lalàna ity ka ataovy velona tsara ny soratra. Dia niteny tamin’ny Israely rehetra i Mosesy sy ireo levita mpisorona hoe: Mangìna ka mihainoa, ry Israely ô. Androany no efa tonga firenen’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Koa henoy ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalànany, izay omeko anao anio. Dia nandidy ny vahoaka tamin’izany andro izany i Mosesy hoe: Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitsodrano ny vahoaka, rehefa tafita an’i Jordana ianareo: Ny Simeona, ny Levy, ny Joda, ny Isakara, ny Josefa ary ny Benjamina. Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: Ny Robena, ny Gada, ny Asera, ny Zebolona, ny Dana ary ny Naftaly. Dia hiteny amin’ny Israely amin’ny feo mahery ireo levita hoe: Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena. Ho voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay manakisaka ny faritry ny tanin’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandry amin’ny vadin’ny rainy satria mandry amin’izay nandrian’ny rainy izy. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandry amin’ny biby. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, dia ny zanakavavin’ny rainy, na ny zanakavavin’ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandry amin’ny rafozambaviny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mamely ny namany any amin’ny takona. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandray kolikoly hahafaty olona tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay tsy mankatò ny tenin’ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Raha mihaino tsara ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay omeko anao anio, dia hasandratry NY TOMPO Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao: Hotahìna ianao ao an-tanàna, ary hotahìna ianao any an-tsaha. Hotahìna ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao. Hotahìna ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. Hotahìna ianao raha miditra ary hotahìna ianao raha mivoaka ny tranonao. Hatolotry NY TOMPO ho resy eo anoloanao ny fahavalonao izay mitsangana hiady aminao, koa lalana iray no handehanany hanatona anao fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. Handidy ny fitahiany ho aminao NY TOMPO amin’ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ny tananao ka hitahy anao Izy any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy NY TOMPO araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka mandeha amin’ny lalany. Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’NY TOMPO no antsoina ao aminao, dia hatahotra anao izy. Hataon’NY TOMPO manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanao homena anao. Hovohan’NY TOMPO ho anao ny lanitra, trano fitahirizan-tsoa, ka handatsahany ranonorana amin’ny taninao amin’ny fotoanany ary hotahiny ny asan’ny tananao rehetra. Ary hampisambotra firenena maro ianao fa ianao kosa dia tsy hisambotra. Dia hataon’NY TOMPO ho lohany ianao fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao, izay omeko anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. Koa aza miala amin’ny teny rehetra izay omeko anao anio, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, ka hanaraka andriamanitra hafa hanompo azy. Fa raha tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalànany, izay omeko anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao: Ho voaozona ianao ao an-tanàna ary ho voaozona ianao any an-tsaha. Ho voaozona ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. Ho voaozona ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao. Ho voaozona ianao raha miditra ny tranonao ary ho voaozona koa ianao raha mivoaka avy ao. Halefan’NY TOMPO aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’izay rehetra ataon’ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao haingana noho ny faharatsian’ny nataonao tamin’ny nahafoizanao Ahy. Hampiraiketin’NY TOMPO aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ny tany izay hidiranao holovana. Areti-mahasaozanina, tazo mahamay, fahamaizana, hafanana mangotraka, andro mihantona ary vary main’ny hafanana na maty fotsy no hamelezan’NY TOMPO anao; dia hanenjika anao ireny ozona ireny mandra-pahalany ritra anao. Ho varahina ny lanitra eo ambonin’ny lohanao ary ho vy ny tany eo ambaninao. Hataon’NY TOMPO vovoka sy jofo ny ranonorana ho amin’ny taninao; avy any an-danitra no hidinan’izany aminao mandra-paharinganao. Hatolotry NY TOMPO ho resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, koa lalana iray no handehananao hiady aminy fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho fampangovitana ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao. Ary hohanin’ny voromanidina rehetra sy ny bibidia ny fatinao ka tsy hisy hamefifefy azy hanatanteraka izany. Hamelezan’NY TOMPO anao ny vain’i Ejipta sy ny lagaly ary ny hatina sy ny hazaka, izay tsy hay sitranina; hamelezan’NY TOMPO anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra. Dia hitsapatsapa ianao na dia amin’ny mitatao vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ny jamba ao amin’ny haizim-pito ka tsy ho tonga amin’izay halehanao; hampahorin’ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao ka tsy hisy hamonjy. Hifofo vady ianao nefa olon-kafa no handry aminy; hanorina trano ianao nefa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao nefa tsy hihinana ny vokatra. Hovonoina eo imasonao ny ombinao nefa tsy hihinana ny henany ianao. Halaina an-keriny eo anatrehanao ny borikinao ka tsy haverina aminao. Homena ho an’ny fahavalonao ny ondry aman’osinao nefa tsy hisy hamonjy ianao. Ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy dia homena ho an’ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao. Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra nisasaranao dia hohanin’ny firenena izay tsy fantatrao; ary hanaovan’ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny foana ianao. Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan’ny masonao. Hamelezan’NY TOMPO anao ny vay ratsy izay tsy hay sitranina, dia amin’ny lohalikao sy ny fenao, hatrany amin’ny faladianao ka hatreny an-tampon-dohanao. Hoentin’NY TOMPO ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao izay hatsanganao hanjaka aminao; ary any no hanompoanao andriamanitra hafa, dia vato aman-kazo. Dia ho figagana sy oha-teny ary ambentin-dresaka ianao any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’NY TOMPO anao. Voan-javatra betsaka no hoentinao hambolena any an-tsaha nefa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ny valala ireny. Hanao tanim-boaloboka sy hiasa azy ianao nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka eo, fa ho lanin’ny fositra ireny. Hanana hazo oliva amin’ny taninao rehetra ianao nefa tsy hihosotra diloilo; satria hihintsana ny olivanao. Hiteraka zazalahy sy vavy ianao nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin’ny valala. Hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao ny vahiny eo aminao fa ianao kosa dia hietry ho ambany dia ambany. Izy hampisambotra anao fa ianao kosa dia tsy hampisambotra azy; izy ho lohany fa ianao dia ho rambony. Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ny amin’ny hitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay nomeny anao. Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany, satria tsy nanompo NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny hafaliana sy ny haravoam-po ianao noho ny habetsahan’ny zavatra rehetra. Ary amin’ny hanoanana sy ny hetaheta ary ny fitanjahana sy ny tsy fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’NY TOMPO hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ny vozonao ireny mandra-pandringany anao. Hoentin’NY TOMPO hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ny faran’ny tany. Tahaka ny fanidinan’ny voromahery no fiaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny, firenena masiaka endrika izay tsy hanaja ny antitra na hiantra ny tanora, dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao. Tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman’osinao, mandra-pandringany anao. Dia hataony fahirano any amin’ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, manerana ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin’ny tanànanao manerana ny taninao rehetra izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, izany hoe ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady andefimandriny ary ny zanany sisa; tsy hisy amin’ireo no homeny amin’ny nofon’ny zanany izay haniny, fandrao tsy hisy ho azy intsony amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao rehetra. Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fijery ny vady andefimandriny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsy fisian-javatra amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao. Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin’ity boky ity, mba hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: NY TOMPO Andriamanitrao, dia hataon’NY TOMPO mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, izay kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela. Ary haveriny aminao indray ny aretin’i Ejipta rehetra izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny. Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, na izay tsy voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity aza, dia hoentin’NY TOMPO mamely anao mandra-paharinganao. Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin’ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Araka izay nifalian’NY TOMPO taminareo mba hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany koa no hifalian’NY TOMPO handringana sy handrava anareo; fa hofongorana tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana ianareo. Dia haelin’NY TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianao; any no hanompoanao andriamanitra hafa, vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao akory. Ary any amin’ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan’ny faladianao; fa any no hanomezan’NY TOMPO anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy. Hihevingevina eo anatrehanao ny ainao; dia hatahotra ianao na andro na alina ka tsy hanampo izay ho velona. Rehefa maraina ny andro dia hiteny ianao hoe: Malakia hariva! Nefa rehefa hariva indray ny andro dia hiteny ianao hoe: Malakia maraina! Noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao sy noho ny zavatra izay ho hitan’ny masonao. Ary hoentin’NY TOMPO an-tsambo ianao hiverina any Ejipta amin’ilay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevo any amin’ny fahavalonareo ianareo na lahy na vavy, nefa tsy hisy mpividy. Izao no tenin’ny fanekena izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy hatao amin’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Moaba, ankoatra ilay fanekena nataony taminy tao Horeba. Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka niteny taminy hoe: Efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO teo imasonareo tany amin’ny tany Ejipta ianareo, dia tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra. Izany dia fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. Nefa tsy nomen’NY TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. Dia nitondra anareo tany an-tany efitra efapolo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy simba teo amin’ny tongotrao ny kapanao. Tsy mofo no nohaninareo ary tsy divay na toaka mahery no nosotroinareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Nony tonga tamin’ity tany ity ianareo dia niainga i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy. Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zaratanin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Koa tandremo ny tenin’izao fanekena izao ka araho, mba hambinina ianareo amin’izay rehetra ataonareo. Miseho eto anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lehiben’ny fokonareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin’ny Israely, ny zanakareo madinika sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ny tobinareo mbamin’ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao, mba hidiranao amin’ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon’NY TOMPO Andriamanitrao aminao anio, hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin’ny razanao, dia i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba. Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao, fa amin’izay eto amintsika anio eto anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika sy amin’izay tsy eto amintsika izao anio izao koa. Fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin’ny tany Ejipta sy izay nandehanantsika namakivaky ny tanin’ny Jentilisa; ary efa hitanareo ny fahavetavetany, ny sampiny hazo sy vato ary volafotsy sy volamena, izay teo aminy; fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na foko eo aminareo, izay manana fo mivily anio ka miala amin’NY TOMPO Andriamanitsika ary handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; fandrao hisy faka mangidy miteraka poizina mahafaty eo aminareo; koa rehefa ren’izany olona izany ny tenin’ity fanozonana ity dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hiteny hoe: Hanam-piadanana aho; eny, hanaraka ny ditran’ny foko ka hanampy fanalana hetaheta amin’ny fahamamoana. Ary tsy hety hamela ny helony NY TOMPO, fa hanetroka amin’izany lehilahy izany ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, koa hovonoin’NY TOMPO tsy ho eo ambanin’ny lanitra ny anarany. Dia hosarahin’NY TOMPO amin’ny firenen’Israely rehetra izy mba ho amin’ny loza, araka ny fanozonana rehetra amin’ny fanekena izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity. Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ny tany lavitra, rehefa mahita ny kapoka natao tamin’ity tany ity sy ny aretina izay nahatran’NY TOMPO taminy. Ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo; tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona aminy, dia tahaka ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora ary i Adma sy i Zeboima, izay noravan’NY TOMPO noho ny fahavinirany sy ny fahatezerany. Ary hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana NY TOMPO no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’izao fahatezerana lehibe izao? Dia hiteny ny vahoaka hoe: Satria nahafoy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy. Fa nandeha izy ka nanompo andriamanitra hafa sady niankohoka teo anatrehany, dia ilay andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy; dia nirehitra tamin’ity tany ity ny fahatezeran’NY TOMPO ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra tato amin’ity boky ity; tamin’ny fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’NY TOMPO azy tsy ho eo amin’ny taniny sady nampandehanany azy ho any amin’ny tany hafa, tahaka ny amin’izao anio izao. An’NY TOMPO Andriamanitsika ny zavamiafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, mba hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, dia hampodin’NY TOMPO Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao ianao; ary hamindra fo aminao izy ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Raha misy aminao voaroaka any amin’ny faravodilanitra dia avy any no hanangonan’NY TOMPO Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hitondrany anao. Dia hampidirin’NY TOMPO Andriamanitrao ao amin’ny tany izay nolovain’ny razanao ianao ka ho lovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. Dia hoforan’NY TOMPO Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, mba ho velona ianao. Hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fahavalonao sy izay mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. Dia hihaino ny feon’NY TOMPO indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra izay omeko anao anio. Ary hataon’NY TOMPO Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’izay hahasoa anao, dia amin’ny asan’ny tananao sy ny ateraky ny kibonao ary ny ateraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao. Fa ho faly aminao indray NY TOMPO ka hanasoa anao, araka izay nampifaliany ny razanao, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, amin’ny fitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo. Fa izao lalàna izao, izay omeko anao anio, dia tsy saro-pantarina ho anao sady tsy lavitra. Tsy any an-danitra izany ka hitenenanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika? Ary tsy any andafin’ny ranomasina ihany koa ka hitenenanao hoe: Iza no hankany andafin’ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika? Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao. Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza. Tamin’ny nandidiako anao androany dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalànany mbamin’ny fitsipiny. Mba ho velona ianao sady hihamaro, ary mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana. Fa raha mivily kosa ny fonao ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa sy hanompo azy, dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an’i Jordana ianareo. Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy. Ary nilaza izao teny izao tamin’ny Israely rehetra indray i Mosesy hoe: Efa roapolo amby zato taona androany aho ka tsy afaka manao na inona na inona intsony, ary efa nilaza tamiko NY TOMPO hoe: Tsy hita io Jordana io ianao. NY TOMPO Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao ka hahazo ny taniny ianao; ary i Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. Ary NY TOMPO hanao amin’ireo monina ao tahaka ny nataony tamin’i Sihona sy i Oga, mpanjakan’ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin’ny taniny. Dia hatolotry NY TOMPO eo anoloanareo ireo mba hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nomeko anareo. Mahereza sy matanjaha; aza matahotra azy na mangorohoro; fa NY TOMPO Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. Ary niantso an’i Josoa i Mosesy ka niteny taminy teo imason’ny Israely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razany homena azy; ianao no hampandova azy izany. NY TOMPO no mandeha eo alohanao; Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao. Dia nosoratan’i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’i Levy, izay mpitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny loholon’ny Israely rehetra. Ary nandidy azy i Mosesy hoe: Isaky ny fito taona, dia amin’ny taom-panafahana, amin’ny andro firavoravoana izay fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo, raha avy hiseho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidiny ny Israely rehetra dia aoka hovakinao eo anatrehan’ny Israely rehetra ny ventin’ity lalàna ity mba handrenesany azy. Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ny teny ka hatahorany NY TOMPO Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Ary ny zanany koa izay tsy nahafantatra, dia handre ka hianatra hatahotra NY TOMPO Andriamanitrareo amin’ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ny tany izay hidiranareo holovana, rehefa tafita an’i Jordana ianareo. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’i Josoa ary mijoroa ao amin’ny tranolay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha i Mosesy sy i Josoa ka nijoro tao amin’ny tranolay fihaonana. Ary NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay tamin’ny andry rahona; dia nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay ny andry rahona. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamanitra hafa any amin’ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekena nataoko taminy. Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izay andro izay ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’io andro io ihany hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko? Ary hanafina ny tavako tokoa Aho amin’izay andro izay noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka ny andriamanitra hafa izy. Ary ankehitriny, soraty ho anareo izao tononkira izao ka ampianaro ny Zanak’Israely ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao tononkira izao mba ho vavolombelona amin’ny Zanak’Israely. Fa rehefa entiko any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka ny andriamanitra hafa ka hanompo azy, ary handa Ahy ka hivadika amin’ny fanekeko. Ary raha manjo azy ny loza maro sy ny fahoriana dia ho vavolombelona aminy izao hira izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ny tany izay nianianako homena azy akory izy. Dia nosoratan’i Mosesy tamin’izay andro izay ihany izao tononkira izao ka nampianariny ny Zanak’Israely. Ary NY TOMPO nandidy an’i Josoa, zanak’i Nona, hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’Israely hiditra ao amin’ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho. Rehefa tapitra voasoratr’i Mosesy teo amin’ny boky avokoa ny tenin’ity lalàna ity dia nandidy ny levita, izay mpitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO izy, hoe: Raiso ity bokin’ny lalàna ity ka apetraho eo anilan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao. Fa fantatro ny ditranao sy ny hamafin’ny hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho dia mikomy amin’NY TOMPO ianareo ka mainka rehefa maty aho! Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ny fokonareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho. Fa fantatro fa rehefa maty aho dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo amin’ny ho avy satria hanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO ka hampahatezitra Azy amin’ny asan’ny tananareo. Dia nolazain’i Mosesy teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ny tonon’izao hira izao manontolo: Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Henoy, ry tany, ny tenin’ny vavako! Hirotsaka tahaka ny ranonorana ny fampianarako, ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, ho tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso sy ho tahaka ny ranonorana amin’ny anana. Fa ny anaran’NY TOMPO no hotorìko; maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika. Izy no Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy ka tsy misy ratsy ao Aminy; marina sy mahitsy Izy. Efa lo eo imasony ireny, tsy zanany intsony noho ny kilemany; fa taranaka miolakolaka sady efa nivadika. Moa izany va no havalinareo NY TOMPO, ry firenena adala, tsy misy fahendrena? Tsy Izy va no Rainao izay namorona anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nampiorina anao? Tsarovy ny andro fahiny; saino ny taona, hatrizay hatrizay. Anontanio amin’ny rainao fa hanambara aminao izy; ary amin’ny zokiolona eo aminao koa, fa hilaza aminao izy. Fony nomen’ny Avo Indrindra zaratany ireo firenena ka samy natokantokany ny zanak’olombelona dia notendreny ny sisintanin’ireo firenena araka ny isan’ny Zanak’Israely; fa anjaran’NY TOMPO ny olony, i Jakoba no natokany ho lovany. Nahita azy tany an-tany efitra Izy, dia tany amin’ny tany foana feno feo mierona; nanodidina azy sy niahy azy Izy, ary koa notandremany tahaka ny anakandriamasony, toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny ka manomba eo ambonin’ny zanany; dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany, NY TOMPO irery no nitondra azy, ary tsy nisy andriamanitra hafa teo aminy. Nampandeha azy teny ambonin’ny havoana amin’ny tany Izy ka nohaniny ny vokatry ny saha; Izy dia nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ny vatolampy sy diloilo avy teo amin’ny vatolampy vatoafo ary koa rononomandrin’omby sy rononon’ondry aman’osy, mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry, ondrilahin’i Basana sy osilahy ary vary izay vokatra indrindra; nisotro divay mahery avy tamin’ny ranom-boaloboka mena ianao. Nihanatavy i Jesorona ka namely daka; efa matavy ianao sady vory nofo no vaventy be! Dia nahafoy an’Andriamanitra izay namorona azy izy ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy, nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa izy ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy; namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho tatỳ aoriana izay tsy natahoran’ny razanareo. Ny Vatolampy izay niteraka anao dia tsy tsaroanao ary hadinonao Andriamanitra izay nahary anao. Nahita izany NY TOMPO ka nandà, noho ny hasosorany tamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; ho hitako izay hiafarany; fa firenena tena mpivadibadika izy, dia zaza tsy mahatoky. Ireo dia nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy Andriamanitra sy nampahasosotra Ahy tamin’ny zava-poanany; ary Izaho kosa dia hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy olona sy hampahasosotra azy amin’izay firenena adala. Fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako ka mandoro hatrany amin’ny fitoeran’ny maty any ambany indrindra, sady mandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, ary mampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra aza. Havangongoko aminy ny loza marobe ary holanìko aminy ny zana-tsipìkako: Hofezahin’ny mosary izy sady holanin’ny areti-mandripaka sy ny fandringanana mangidy ary hampandehaniko aminy ny nifim-biby mbamin’ny poizin’ny biby mpikisaka amin’ny vovoka. Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany ary ao amin’ny efitrano dia ny horohoro, na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny zaza minono na ny fotsy volo. Fa efa nolazaiko hoe: Hopotehiko izy ka hihahaka; hatsahatro tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny fahatsiarovana azy, raha tsy ny fireharehan’ny fahavalo no natahorako, andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny ka hiteny hoe: Ny tananay no avo; fa tsy NY TOMPO tsy akory no nanao izany rehetra izany. Fa firenena tsy manan-tsaina izy sady tsy manam-pahalalana. Raha mba hendry izy dia hahafantatra izao ka hahafantatra izay ho farany. Hataon’ny olona irery ahoana no fanenjika ny arivo, ary hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, ary NY TOMPO no efa nanolotra azy? Fa tsy mba mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’ireny ka fahavalontsika no ho mpitsara. Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’i Sodoma ary avy ao amin’ny sahan’i Gomora; ny voalobony dia voaloboka mahafaty sady mangidy koa ny sampahony. Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ny dragona ary poizina mahery avy amin’ny menarana. Moa tsy voatahiry ato Amiko va izany ka voaisy tombo-kase ato an-trano firaketako? Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, raha avy izay hahasolafaka ny tongony; fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy haingana ny zava-boatendry hanjo azy. Fa NY TOMPO hanome rariny ny olony ary hanenina ny amin’ny mpanompony, raha hitany fa lany ny heriny ka tapitra avokoa na ny babo, na ny afaka. Ary hiteny Izy hoe: Aiza ireo andriamaniny, dia ny vatolampy izay nialofany, izay nihinana ny jaboran’ny fanatiny ary nisotro ny divain’ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo ary ho fierena ho anareo. Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy ka tsy misy andriamanitra eto akaikiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, ka tsy misy mahafaka amin’ny tanako. Fa manangana ny tanako amin’ny lanitra Aho ka miteny hoe: Raha velona mandrakizay koa Aho, raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, ka voarain’ny tanako ny fitsarana, dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony ary hovaliako ny mankahala Ahy. Hataoko mamon-dra ny zana-tsipìkako, ary ny sabatro dia hihina-nofo, dia ny ran’ny voavono sy ny babo mbamin’ny loha mirakorako volon’ny fahavalo. Ry Jentilisa, hobio ny olony! Fa ny ran’ny mpanompony no hovaliny. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony. Dia nandeha i Mosesy, dia izy sy i Hosea, zanak’i Nona, ka nilaza ny teny rehetra amin’izany hira izany teo anatrehan’ny olona. Ary nony efa tapitra voalazan’i Mosesy tamin’ny Israely rehetra izany teny rehetra izany dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo mba hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa ity no fiainanareo; ary izao teny izao no hahamaro andro anareo eo amin’ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’i Jordana ianareo. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tamin’izay fotoana izay indrindra hoe: Miakara amin’ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ny tany Moaba tandrifin’i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’Israely ho lovany. Dia ho faty ao amin’ny tendrombohitra izay iakaranao ianao ka ho voaangona any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy tany amin’ny razany, satria nivadika Tamiko teo amin’ny Zanak’Israely ianareo tao amin’ny ranon’i Meriba any Kadesy, tany an-tany efitra Zina, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny Zanak’Israely. Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin’ny tany izay omeko ny Zanak’Israely. Toy izao ny tsodrano nataon’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, tamin’ny Zanak’Israely, rehefa nadiva ho faty izy. Hoy izy: Avy tao Sinay NY TOMPO ary niseho tamin’ireo avy tany Seìra; niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; ary avy tao amin’ny masiny tsy omby alinalina; nisy afon’ny lalàna ho an’ireo teo ankavanany. Eny, tia ireo firenena Izy; eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; miankohoka eo an-tongotrao ireo ka samy mandray amin’ny teninao. Lalàna no nomen’i Mosesy antsika ho lovan’ny fiangonan’i Jakoba. Ary tonga mpanjakan’i Jesoròna Izy, rehefa tafangona ny lehiben’ny vahoaka sy ny fokon’Israely rehetra. Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena, nefa aoka ho vitsy olona izy. Ny amin’i Joda dia izao, hoy izy: TOMPO ô, mihainoa ny feon’i Joda ka ento ho amin’ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho an’ny tenany ka manampia azy Ianao hamelezany ny mpandrafy azy. Ny amin’i Levy dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ny olonao mahatoky anao, izay nozahanao toetra tao Masa sy nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meriba, izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, sady tsy nahafantatra izay rahalahiny izy, ary izay zanany aza dia tsy fantany koa; fa nitandrina ny teninao izy ka nitana ny fanekenao. Hampianariny ny fitsipikao i Jakoba, ary ny lalànanao Israely; hametraka ditin-kazo manitra eo am-bavoronao izy ary fanatitra dorana manontolo eo ambonin’ny alitaranao. TOMPO ô, tahio ny heriny, ary aoka ho sitrakao ny asan’ny tanany; asio mafy izay mitsangana hiady aminy ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy. Ny amin’i Benjamina dia hoy izy: Ny malalan’NY TOMPO dia honina amim-piadanana eo aminy, dia halofany mandrakariva ary hobabeny eo an-damosiny. Ny amin’i Josefa dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ny taniny amin’ny fanomezan-tsoan’ny lanitra, dia amin’ny ando sy amin’ny rano lalina mamitsaka any ambany, amin’ny zava-tsoa vokatry ny masoandro sy ny voan-java-tsoa vokatry ny volana, amin’ny zava-malaza avy amin’ny tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoa avy amin’ny havoana hatrizay mbamin’ny zava-tsoan’ny tany sy izay rehetra eo aminy ary ny fankasitrahan’Izay nitoetra tao amin’ilay roimemy; aoka ho tonga ao an-dohan’i Josefa izany, dia eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny. Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, tandrok’ombimanga ny tandrony; izany no hanotoany ny firenena rehetra, dia ny faran’ny tany; ireo no alinalin’i Efraima sy arivoarivon’i Manase. Ny amin’i Zebolona dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin’izay alehanao, ary ianao, ry Isakara ao an-dainao. Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, ary ao no hamonoany zavatra ho fanatitra amim-pahamarinana; fa hitsentsitra ny harenan’ny ranomasina izy ary ny zava-tsoa miafina ao amin’ny fasika. Ny amin’i Gada dia hoy izy: Isaorana anie izay manome malalaka ho an’i Gada; mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy ka mamiravira ny sandry mbamin’ny tampon-doha. Nizaha izay voaloham-bokatra ho an’ny tenany izy, fa teo ny anjaran’ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy, ary araka ny fahamarinan’NY TOMPO no nataony, sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ny Israely. Ny amin’i Dana dia hoy izy: I Dana dia zanaka liona; miantsampy avy ao Basana izy. Ny amin’i Naftaly dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana sy feno ny fitahian’NY TOMPO, mandovà ny andrefana sy ny atsimo ianao. Ny amin’i Asera dia hoy izy: Aoka hotahìna mihoatra noho ny zaza maro i Asera, ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy ka hanatsoboka ny tongony amin’ny diloilo. Ho vy sy varahina ny hidinao; ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao. Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’Andriamanitra izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, sady mandia ny rahona amin’ny voninahiny. Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ka miteny hoe: Aringano. Mandry fehizay Israely, mitokana irery ny loharanon’i Jakoba ao amin’ny tany be vary sy ranom-boaloboka; eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny. Sambatra ianao, ry Israely; iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’NY TOMPO, ampingan’ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao? Hikoy anao ny fahavalonao, ary hitsahinao ny havoanany. Dia niakatra niala teo amin’ireo tany ngazana any Moaba i Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’NY TOMPO azy ny tany manontolo: Gileada hatrany Dana, i Naftaly manontolo, ny tanin’i Efraima sy i Manase, ny tanin’i Joda manontolo hatramin’ny ranomasina andrefana ary i Negeva sy ny ao amin’ny lohasahan’i Jeriko, tanàna be palma, hatrany Zoara. Dia hoy NY TOMPO taminy: Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao. Ary i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, dia maty teo amin’ny tany Moaba araka ny tenin’NY TOMPO. Naleviny tao an-dohasaha tao amin’ny tany Moaba, tandrifin’i Bety-Peora, izy. Tsy misy olona mahafantatra ny fasany mandraka androany. Efa roapolo amby zato taona i Mosesy vao maty; tsy pahina ny masony na nihena ny heriny. Dia nisaona an’i Mosesy nandritra ny telopolo andro teo amin’ny tany ngazana any Moaba ny Zanak’Israely; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’i Mosesy. Ary i Josoa, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’Israely ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Tsy nisy mpaminany tahaka an’i Mosesy intsony niseho teo amin’ny Israely, izay fantatry NY TOMPO nifanatrika, tamin’ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan’NY TOMPO azy mba hataony tany Ejipta tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra; ary tamin’ny tanana mahery sy ny asa lehibe sady mahatahotra, izay nasehon’i Mosesy teo imason’ny Israely rehetra. Rehefa maty i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, dia hoy NY TOMPO tamin’i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’i Mosesy: Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ny tany izay omeko ho an’ny Zanak’Israely. Ny tany rehetra izay hodiavin’ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin’i Mosesy. Hatreo amin’ny tany efitra sy irỳ Libanona irỳ ary hatrany amin’ny ony lehibe na ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ny Hetita ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. Mahereza sy matanjaha fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy. Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanatanteraka araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hambinina ianao amin’izay rehetra alehanao. Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanatanteraka araka izay rehetra voasoratra ao; fa amin’izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina. Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha, aza matahotra na mivadi-po fa momba anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao. Dia nandidy ny mpifehy ny vahoaka i Josoa hoe: Andeha mamakivaky ny toby ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo fa raha afaka hateloana dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handray ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrareo ho lovanareo. Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nilazan’i Josoa hoe: Tsarovy ny teny izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo hoe: NY TOMPO Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, koa homeny anareo izao tany izao. Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ny tany izay nomen’i Mosesy anareo etỳ andafin’i Jordana ary ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ny rahalahinareo hanampy azy, mandra-panomen’NY TOMPO fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo ka handraisany an-tanana ny tany izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo azy. Dia hiverina ho any amin’ny taninareo ianareo ka handray an-tanana ilay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo etỳ andafy atsinanan’i Jordana. Dia namaly an’i Josoa ireo hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay. Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa. Homba anao anie NY TOMPO Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy. Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’izay rehetra ibaikoanao azy dia hovonoina ho faty, koa mahereza sy matanjaha ianao. Ary naniraka mangingina mpisafo tany roa lahy avy tany Sitima i Josoa, zanak’i Nona, ka niteny taminy hoe: Mandehana zahao ny tany, indrindra fa i Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga iray antsoina hoe Rahaba ka nandry tao. Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ny Zanak’Israely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany. Dia nandefa iraka tao amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko hiteny hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo fa hisafo ny tany manontolo no niaviany. Nalain-dRavehivavy anefa izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny nefa tsy fantatro hoe avy aiza izy. Rehefa maizina ny andro ary hohidina ny vavahady dia lasa nandeha izy ka tsy fantatro indray izay nalehany. Enjeho haingana izy fa ho tratranareo. Kanjo efa nampiakarin-dRavehivavy tany an- tampon-trano izy ireo ka nafeniny tao amin’ny tahon-drongony izay nalahany teo an-tampon-trano. Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ny fitàna. Ary rehefa lasa nandeha izay nanenjika azy dia nohidina ny vavahady. Raha mbola tsy natory izy roa lahy dia niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano Ravehivavy ka niteny taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’NY TOMPO anareo ny tany, koa efa mahazo anay ny tahotra anareo sady ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo. Fa efa renay ny nanamainan’NY TOMPO ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Ejipta; renay koa izay nataonareo tamin’ny mpanjaka Amorita roa lahy izay tany andafin’i Jordana, dia i Sihona sy i Oga, izay nataonareo ho toy ny zavatra voaozona. Ny fandrenesanay ireo dia nahaketraka ny fonay ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. Koa ankehitriny, miangavy anareo aho, mba ianiano amin’NY TOMPO, fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, koa omeo famantarana azo antoka aho fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko mbamin’ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; ary hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo raha tsy hambaranareo izao raharahanay izao. Raha omen’NY TOMPO anay ny tany dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay. Ary nampidina azy tamin’ny tady mahazaka avy teo amin’ny varavarankely Ravehivavy; fa teo amin’ny mandan’ny tanàna ny tranony ary teo amin’ny manda no nitoerany. Dia hoy Ravehivavy tamin’izy roa lahy: Mandehana any an-tendrombohitra fandrao hifanena amin’ny mpanenjika ianareo ka miere any mandritra ny hateloana mandra-piveriny. Rehefa afaka izany, vao manohy ny dia amin’izay halehanareo ianareo. Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’izany fianianana nampianianinao anay izany: Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io tady kely jaky io dia hovorinao ho ao an-tranonao ny rainao sy ny reninao ary ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra; ary izay rehetra mivoaka avy eo am-baravaran’ny tranonao ho eny ivelany dia ho eo an-dohany ihany ny rany ary izahay dia tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano kosa dia ho eo an-dohanay ny rany raha toa ka misy olona mikasi-tanana azy; fa raha toa ka hambarambaranao kosa izao raharahanay izao dia ho afaka amin’ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. Dia hoy Ravehivavy: Eny ary fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy ka lasa nandeha; dia nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay tady kely jaky. Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin’ny mpanenjika; nitady azy tamin’ny lalana rehetra ny mpanenjika nefa tsy nahita. Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra dia nita ny ony ary nankany amin’i Josoa, zanak’i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay nihatra taminy. Hoy izy ireo tamin’i Josoa: Efa natolotry NY TOMPO eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary ketraka noho ny tahotra antsika ny mponina rehetra amin’ny tany. Dia nifoha vao maraina i Josoa ary izy sy ny Zanak’Israely rehetra dia niala tany Sitima ka nankany Jordana ary nitoetra teo izy aloha vao nita. Rehefa afaka hateloana dia nandeha namakivaky ny toby ny mpifehy ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo entin’ny levita mpisorona dia miaingà avy amin’izay itoeranareo ka manaraha azy. Kanefa asio elanelany tokony ho roa arivo hakiho aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy, mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao. Ary hoy i Josoa tamin’ny olona: Manamasìna ny tenanareo fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo NY TOMPO. Ary niteny tamin’ny mpisorona i Josoa hoe: Ento ny vata misy ny Fanekena ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny vata misy ny Fanekena izy ireo ka nandeha teo anoloan’ny olona. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Anio Aho no hanomboka hanandratra anao eo imason’ny Israely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa. Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny Fanekena hoe: Rehefa tody eo amin’ny moron’ny ranon’i Jordana ianareo dia mijanòna ihany eo amin’ny Jordana. Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Josoa hoe: Manatòna atỳ ka mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitrareo. Dia hoy i Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita, ny Hetita, ny Hivita, ny Perizita, ny Girgasita, ny Amorita ary ny Jebosita: Indro, mandroso eo alohanareo ao anatin’i Jordana izao ny vata misy ny faneken’ny Tompon’ny tany rehetra. Koa ankehitriny, makà lehilahy roa amby folo amin’ny fokon’ny Israely ho anareo, dia iray avy isam-poko; ary raha vao miroboka ao amin’ny ranon’i Jordana ny faladian’ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra iray. Rehefa niainga niala tamin’ny tranolainy hita an’i Jordana ny olona ary nitondra ny vata misy ny Fanekena eo alohany ny mpisorona ka tonga teo amin’i Jordana ireo izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena tamin’ny sisin-drano ny tongony, satria tondraka nihoatra ny morony rehetra i Jordana mandritra ny fararano, dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama, izay eo anilan’i Zaretana; eny, tena tapaka ny rano izay nidina ho any amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, dia ny Ranomasintsira; ary nita tandrifin’i Jeriko ny olona. Ary ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nijoro tsara tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana ary ny Israely rehetra dia nandeha tamin’ny tany maina mandra-pahatafitan’izy rehetra an’i Jordana. Rehefa tafita an’i Jordana avokoa ny olona rehetra dia hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Makà lehilahy roa amby folo amin’ny olona, dia iray avy isam-poko, ka mandidia azy hoe: Makà vato roa amby folo avy eo afovoan’i Jordana, eo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo ka apetraho eo amin’izay handrianareo anio alina. Dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy roa amby folo izay nofidiny tamin’ny Zanak’Israely, iray avy isam-poko, ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ny vata misy NY TOMPO Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, koa samia maka sy milanja vato iray eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely, mba ho famantarana eo aminareo izany. Raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo aminareo? Dia holazainareo aminy hoe: Tapaka teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny ranon’i Jordana; eny, tamin’ny nitan’ny vata misy ny Fanekena an’i Jordana dia tapaka ny rano; ary ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny Zanak’Israely ireo vato ireo. Dia nanatanteraka izay nandidian’i Josoa ny Zanak’Israely ka naka vato roa amby folo teo afovoan’i Jordana, araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Josoa, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely, ka noentiny nita niaraka taminy ho eo amin’izay nitobiany ireo ka napetrany teo. Vato roa amby folo no natsangan’i Josoa tao Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary mbola ao ihany ireny mandraka androany. Nijanona teo afovoan’i Jordana ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena, mandra-pahavitan’ny zavatra rehetra izay nandidian’NY TOMPO an’i Josoa holazaina amin’ny olona, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa; avy eo vao nita haingana ny olona. Rehefa tafita avokoa ny olona rehetra dia nita teo anoloan’ny olona koa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ireo mpisorona. Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ny Zanak’Israely koa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy. Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan’NY TOMPO mba hanafika any amin’ny tany ngazana any Jeriko. Tamin’izany andro izany no nanandratan’NY TOMPO an’i Josoa teo imason’ny Israely rehetra; dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny Vavolombelona mba hiakatra hiala ao Jordana. Dia nandidy ny mpisorona i Josoa hoe: Miakara hiala ao Jordana ianareo. Ary rehefa niakatra niala avy tao afovoan’i Jordana ireo mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ireo ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ny tanety dia avy indray ny ranon’i Jordana nankamin’ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany. Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana voalohany no niakatra niala teo Jordana ny olona ka nitoby tany Gilgala, teo amin’ny sisintany atsinanan’i Jeriko. Ireo vato roa amby folo nalainy tao Jordana dia natsangan’i Josoa tany Gilgala. Dia hoy izy tamin’ny Zanak’Israely: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo? Dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ny tany maina no nitan’ny Israely ity Jordana ity. Fa nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo maina teo anoloanareo ny lalana falehan’ny rano Jordana mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa mahery ny tanan’NY TOMPO ary mba hatahorany mandrakizay NY TOMPO Andriamanitrareo. Rehefa nandre ny nanamainan’NY TOMPO ny ranon’i Jordana teo anoloan’ny Zanak’Israely nandritra ny fiampitàny ny mpanjaka rehetra tamin’ny Amorita any andafy andrefan’i Jordana sy ireo mpanjaka rehetra tamin’ny Kananita any amoron’ny ranomasina dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’Israely. Tamin’izany andro izany no nilazan’NY TOMPO tamin’i Josoa hoe: Manaova hareza vato ho anao, koa atombohy indray ny famorana ny Zanak’Israely. Dia nanao hareza vato ho azy i Josoa ka namora ny Zanak’Israely teo amin’ny havoana Haralota. Izao no anton’ny namoran’i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Ejipta, izany hoe ny mpanafika rehetra, dia samy maty tany an-tany efitra teny an-dalana, tamin’izy nivoaka avy tany Ejipta. Voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-tany efitra, tamin’izy nivoaka avy tany Ejipta, dia tsy mbola voafora kosa. Fa efapolo taona no nandehanan’ny Zanak’Israely tany an-tany efitra, mandra-pahalany ritra ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Ejipta, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO izy ireny; dia ireo no nianianan’NY TOMPO fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Ary ny zanany no natsangany handimby azy ka ireo no noforan’i Josoa satria tsy mbola voafora ireo, fa tsy noforana teny an-dalana. Rehefa noforana ny lehilahy rehetra dia nitoetra tao amin’ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan’i Ejipta ho afaka aminareo. Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany. Ary nitoby tany Gilgala ny Zanak’Israely ka nitandrina ny Paska teo amin’ny tany ngazana any Jeriko, tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana. Ary ny ampitson’ny Paska dia nihinana ny vokatry ny tany izy, dia mofo tsy misy masirasira sy lango, tamin’izany andro izany indrindra. Ary nitsahatra ny mana ny ampitson’iny, dia tamin’ny nihinanany ny vokatry ny tany ka tsy nisy mana ho an’ny Zanak’Israely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’izany taona izany. Nony teo akaikin’i Jeriko i Josoa, dia nanopy ny masony ka nijery ary indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tanany. Nanatona Azy i Josoa ka niteny taminy hoe: Namanay va ianao sa naman’ny fahavalonay? Dia hoy Izy: Tsia, fa Izaho dia mpitarika ny miaramilan’NY TOMPO ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: Inona no holazainao amin’ny mpanomponao, Tompokolahy? Dia hoy Ilay mpitarika ny miaramilan’NY TOMPO tamin’i Josoa: Esory amin’ny tongotrao ny kapanao fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon’i Josoa izany. Ary nihidy mafy i Jeriko tamin’izany noho ny Zanak’Israely: Tsy nisy nivoaka avy tao ary tsy nisy niditra nankao. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao i Jeriko sy ny mpanjakany mbamin’ny lehilahy mahery. Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany. Asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ny vata misy ny Fanekena; amin’ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna ary aoka hitsoka ny anjomarany mpisorona. Rehefa manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno ka renareo ny feon’ny anjomara dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin’izay ny mandan’ny tanàna ary hiakatra sady samy hizotra amin’izay hitsiny avy ny olona. Dia niantso ny mpisorona i Josoa, zanak’i Nona, ka niteny taminy hoe: Ento ny vata misy ny Fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ny vata misy NY TOMPO. Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: Mandehana ka hodidino ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady no handeha eo alohan’ny vata misy NY TOMPO. Rehefa avy niteny tamin’ny vahoaka i Josoa dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’NY TOMPO ka nitsoka ny anjomara; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO no nanaraka azy. Ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan’ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodilalana no nanaraka ny vata misy ny Fanekena; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. Ny vahoaka dia efa noraran’i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan’ny andro hilazako aminareo hoe: Manakorà! Ary amin’izay ianareo vao hanakora. Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany nandritra ny alina. Dia nifoha vao maraina i Josoa ary nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny mpisorona. Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandeha sady nitsoka ny anjomara; ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodilalana kosa dia nanaraka ny vata misy NY TOMPO; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin’ny andro faharoa vao niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany. Tamin’ny andro fahafito dia nifoha vao maraina indray izy, raha mbola nazava ratsy ny andro, ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin’izany andro izany ihany izy no nanodidina ny tanàna impito. Ary tamin’ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: Manakorà! Fa efa nomen’NY TOMPO anareo ny tanàna. Dia hatolotra ho an’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, satria nanafina ny iraka nalefantsika izy. Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin’ny zavatra voaozona, fandrao raha manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa ianareo no maka amin’ny zavatra voaozona indray, dia hahatonga ny tobin’ny Israely ho voaozona izany ka hampidi-doza aminy ianareo. Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an’NY TOMPO. Hatao ao amin’ny trano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO izany. Dia nanakora ny olona ary notsofina ny anjomara; nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara dia nanakora mafy izy ka nirodana tamin’izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna ny olona sady samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ka azo ny tanàna. Ary nataony toy ny zavatra voaozona tamin’ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy na tanora na antitra na omby na ondry aman’osy na boriky. Ary izy roa lahy izay nisafo tany dia efa nilazan’i Josoa hoe: Midira ao amin’ny tranon’ilay vehivavy janga ka ento mivoaka avy tao Ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy. Dia nandeha ireo zatovo nisafo tany ireo ka nitondra an’i Rahaba nivoaka avy tao niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin’izay mety ho azy; dia nitondra ny ankohonany rehetra nivoaka avy tao izy; ka nametraka azy teo ivelan’ny tobin’ny Israely. Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ny afo nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ny trano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’izay mety ho azy dia novelomin’i Josoa, ary mitoetra eo amin’ny Israely mandraka androany Ravehivavy satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’i Josoa hisafo tany tao Jeriko izy. Dia nianiana i Josoa tamin’izany andro izany hoe: Ho voaozona eo anatrehan’NY TOMPO izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ny lahimatoany no ho sazin’ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ny faralahiny no ho sazin’ny hananganany ny vavahadiny. Ary NY TOMPO nomba an’i Josoa ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany. Fa nandika ny didy ny amin’ny zavatra voaozona ny Zanak’Israely satria i Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny fokon’i Joda, dia naka tamin’ny zavatra efa voaozona; dia nirehitra tamin’ny Zanak’Israely ny fahatezeran’NY TOMPO. Ary nandefa iraka hiala tany Jeriko hankany Ay izay eo anilan’i Bety-Avena, atsinanan’i Betela i Josoa, ka niteny taminy hoe: Miakara ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo tany an’i Ay. Ary niverina tany amin’i Josoa izy ireo ka niteny taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany fa vitsy ihany izy. Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ny mponina tao Ay ireo. Dia nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana. Dia ketraka ny fon’ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano. Dia notriarin’i Josoa ny fitafiany ka niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO mandra-paharivan’ny andro izy sy ny loholon’ny Israely sady nasiany vovoka ny lohany. Ary hoy i Josoa: Indrisy, Andriamanitra Tompo ô! Nahoana no nampita ity firenena ity an’i Jordana foana Ianao mba hanoloranao anay eo an-tanan’ny Amorita ka handringanana anay? Tahaka izay izahay mba nanapa-kevitra nitoetra tany andafin’i Jordana ihany! Indrisy, Tompo ô! Inona intsony no holazaiko, fa efa nandositra teo anoloan’ny fahavalony ny Israely? Ary ho ren’ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ny tany intsony; dia hataonao ahoana kosa ny anaranao lehibe? Dia hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Mitsangàna! Nahoana no miankohoka toy izao ianao? Efa nanota ny Israely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy satria efa naka tamin’ny zavatra voaozona izy sady koa nangalatra sy namitaka ka nataony ao amin’ny entany ireny. Koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalony ny Zanak’Israely; mandositra eo anoloan’ny fahavalony izy satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra voaozona. Mitsangàna, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Misy zavatra voaozona eo aminao, ry Israely ô; koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra voaozona tsy ho eo aminareo intsony. Dia hampanatonina araka ny fokonareo avy ianareo raha maraina; koa ny foko izay tanan’NY TOMPO dia hanatona isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’NY TOMPO dia hanatona indray isan-trano; ary ny trano izay tanan’NY TOMPO dia hanatona indray isam-batan’olona. Koa izay azo mitana ny zavatra voaozona dia hodorana amin’ny afo izy mbamin’izay rehetra mety ho azy satria nivadika ny faneken’NY TOMPO ka nanao fahadalana be teo amin’ny Israely. Dia nifoha vao maraina i Josoa ka nampanatona ny Israely araka ny fokony avy; ary ny fokon’i Joda no voatana. Dia nitondra ny fokon’i Joda izy ka ny fianakavian’i Zera no voatana, dia nampanatona ny fianakavian’i Zera isam-batan’olona indray izy ka i Zabdy no voatana. Dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy ka i Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny fokon’i Joda, no voatana. Dia hoy i Josoa tamin’i Akana: Anaka, miangavy anao aho, omeo voninahitra NY TOMPO Andriamanitry ny Israely ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany. Ary namaly an’i Josoa i Akana hoe: Eny, nanota tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely tokoa aho, ary toy izao no nataoko: Nahita akanjobe ivelany matevina tsara avy any Sineara sy sekela volafotsy roanjato ary vongam-bolamena lavalava, milanja sekela dimampolo, tamin’ny babo aho, dia nitsiriritra ireny ka naka izany; ary indreo, voafina ao ambanin’ny tany ao amin’ny tranolaiko ireny ary ny volafotsy dia ao ambaniny. Dia nandefa iraka i Josoa, ka nihazakazaka nankany amin’ny tranolay ireo, ary indro, voafina tao anatin’ny tranolainy ireo zavatra ireo, ary ny volafotsy dia tao ambaniny. Dia nalainy avy tao amin’ny tranolay ireny ka noentiny teo amin’i Josoa sy ny Zanak’Israely rehetra ary napetrany teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nalain’i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana, zanak’i Zera, ary ny volafotsy, ny akanjobe ivelany matevina, ny vongam-bolamena, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ombiny, ny borikiny, ny ondry aman’osiny ary ny tranolainy mbamin’izay rehetra mety ho azy; dia noentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny. Ary hoy i Josoa: Andray! Inona ity loza nampidirinao taminay? Mba hahatonga loza aminao kosa NY TOMPO anio. Dia nitora-bato azy ny Israely rehetra ary nandoro ireny tamin’ny afo sady nanangom-bato teo amboniny. Dia nanangana antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary NY TOMPO dia nionona tamin’ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany mandraka androany hoe: Lohasaha Akora. Hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika ka miaingà, iakaro i Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Ay mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny. Tahaka ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’i Ay sy ny mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany. Asio vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna. Dia niainga i Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina i Josoa ka nandefa ireo rehefa alina. Ary nandidy azy izy hoe: Indro, hanao vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna hamely azy ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa aoka ho vonona ianareo rehetra. Izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa manatona hamely anay tahaka ny teo ny olona dia handositra eo anoloany izahay. Ary hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa hoy izy hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay. Nefa hiroatra avy ao amin’ny vela-pandrika kosa ianareo ka ho azonareo ny tanàna, fa hatolotry NY TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo izy. Rehefa azonareo ny tanàna dia doroy amin’ny afo, araka ny didin’NY TOMPO no hataonareo. Indro, efa nandidy anareo aho. Dia nampandehanin’i Josoa izy ireo ka roso hanao vela-pandrika ary nitoetra teo andrefan’i Ay, teo anelanelan’i Betela sy i Ay. Fa i Josoa kosa dia nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’izany alina izany. Ary nifoha vao maraina i Josoa ka nandamina ny vahoaka dia niakatra teo alohan’ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ny Israely. Ary ny vahoaka mpanafika rehetra, izay niaraka tamin’i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Ay ireo ka ny lohasaha no teo anelanelan’i Ay sy rizareo. Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanao vela-pandrika teo anelanelan’i Betela sy i Ay, andrefan’ny tanàna. Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny vela-pandrika teo andrefan’ny tanàna dia nandeha nankeo amin’ny lohasaha i Josoa tamin’io alina io. Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Ay izany dia nifoha vao maraina ny olona tao an-tanàna ka nandeha haingana hiady tamin’ny Israely, teo amin’ny toerana nifamotoanany tandrifin’i Arabà, ireo moa dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: Satria tsy fantany ho nisy vela-pandrika hamely azy tao ambadiky ny tanàna. Ary i Josoa sy ny Israely rehetra dia nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin’ny lalana mankany an-tany efitra. Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an’i Josoa izy ka voatarika ho tafavoaka ny tanàna. Tsy nisy lehilahy tavela, na tao Ay na tao Betela, fa tsy nisy izay tsy nandeha hanenjika ny Israely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna ka lasa nanenjika ny Israely izy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Atondroy an’i Ay ny lefona izay eny an-tananao fa hatolotro eo an-tananao i Ay. Dia natondron’i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tanany. Raha vao natondrony ny tanany dia nirohotra haingana ny nanao vela-pandrika avy tao amin’ny nitoerany ka nihazakazaka; dia niditra tao an-tanàna izy ireo ka nahazo azy ary nandoro azy haingana tamin’ny afo. Ary niherika ny mponina tao Ay ka hitany fa indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany na aiza na aiza intsony, na ho etỳ na ho erỳ. Ny Israely izay nanao tari-dositra ho any an-tany efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa. Rehefa hitan’i Josoa sy ny Israely rehetra fa efa azon’ny vela-pandrika ny tanàna ka niakatra ny setroky ny tanàna dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay. Ary ireo tao an-tanàna koa dia niainga hamely azy ka latsaka teo afovoan’ny Israely ny olona, fa ny Israely sasany dia teo an-daniny iray ary ny sasany dia teo an-kilany; dia nifandafaran’ny Israely teo izy ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Ary nataony sambo-belona ny mpanjakan’i Ay ka noentiny teo amin’i Josoa. Rehefa avy namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Israely, tany amin’ny tany efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin’ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritra azy dia niverina tany Ay ny Israely rehetra ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra. Ary ireo rehetra maty tamin’izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo sy iray alina, izany hoe ny mponina rehetra tao Ay. Ary tsy nampihemotra ny tanany izay nanondro tamin’ny lefona i Josoa mandra-panaony ny mponina rehetra tao Ay ho zavatra voaozona. Nefa ny biby fiompy mbamin’ny fananana rehetra tao amin’izany tanàna izany dia nalain’ny Israely ho babony ihany, araka ny tenin’NY TOMPO izay nandidiany an’i Josoa. Ary nodoran’i Josoa i Ay ka nofoanany ho tanàna haolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy. Nahantony tamin’ny hazo mandra-paharivan’ny andro ny mpanjakan’i Ay; ary rehefa tokony ho maty masoandro dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna sady notsindriany antontam-bato avo mandraka androany. Tamin’izany dia nanorina alitara ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, teo an-tendrombohitra Ebala i Josoa, araka izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, ny Zanak’Israely, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, ka alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by no natao; dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana koa. Ary nosoratany teo amin’ny vato ny dika mitovy tamin’ny lalànan’i Mosesy, izay nosoratany teo anatrehan’ny Zanak’Israely. Ny Israely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy, na olona hafa firenena na Israely, dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ny vata misy ny Fanekena, teo anatrehan’ny levita mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO: Ny antsasany dia nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany dia nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO fahiny, mba hitsodrano ny vahoakan’Israely. Rehefa afaka izany dia namaky ny tenin’ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna. Tsy nisy teny tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy, izay tsy novakin’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israely manontolo, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy. Raha nandre izany ny mpanjaka rehetra izay tetỳ andafin’i Jordana, na ny tany amin’ny havoana na ny tany Sefela na ny tany amoron’ny Ranomasina Lehibe tandrifin’i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia niray hina ka niangona hiady amin’i Josoa sy ny Israely. Ary ny mponina tao Gibeona dia nahare izay nanaovan’i Josoa an’i Jeriko sy i Ay ka nanao hafetsena kosa izy ary nandeha ho eny niseho ho iraka, nitondra kitapo tonta nasampiny teo amin’ny borikiny; misy koa siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, kapa tonta sady nitampintampina no teo amin’ny tongony ary lamba tonta no notafiany; ary efa maina sy potipotika ny mofo rehetra izay vatsiny. Dia nankany amin’i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin’ny Israelita hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny, mba manaova fanekena aminay ianareo. Ary hoy ny Israelita tamin’ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, koa hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo? Fa hoy izy tamin’i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy i Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza? Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra be izahay mpanomponao noho ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita izay tany andafin’i Jordana, dia i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, izay tany Astarota. Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ny haleha, dia mandehana hitsena azy ka lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny manaova fanekena aminay. Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin’ny andro nandehananay hankaty aminareo; nefa ankehitriny, indro efa maina sy potipotika izany. Vaovao koa ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; nefa indreo, efa triatra izy ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny lalana. Ary nakan’ny olona ny vatsin’ireo nefa tsy nanontany tamin’ny vavan’NY TOMPO izy. Ary nanao fihavanana taminy i Josoa ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ny fiangonana koa dia nianiana taminy. Nony afaka hateloana taorianan’ny nanaovany fanekena taminy dia reny fa mpifanakaiky aminy ihany ireo sady mpiara-mitoetra eo aminy. Dia niainga ny Zanak’Israely ka tonga tany an-tanànan’ireo tamin’ny andro fahatelo. Ary ny tanànany dia Gibeona, Kefira, Berota ary Kiriata-Jearima. Nefa tsy namely azy ny Zanak’Israely satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ireo loholona ny fiangonana rehetra. Nefa hoy ny loholona rehetra tamin’ny fiangonana manontolo: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianiananay taminy, koa ankehitriny dia tsy mahazo mamely azy isika. Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy. Koa hoy ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra izy ireo, araka ny teny nataon’ny loholona taminy. Dia niantso azy ireo i Josoa ka niteny taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nilaza hoe: Lavitra be anareo izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo? Koa ankehitriny voaozona ianareo ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitro ianareo. Dia namaly an’i Josoa izy ireo hoe: Satria nambara taminay mpanomponao tokoa fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloanareo, koa natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, dia nanao izany zavatra izany. Ary ankehitriny, indreto eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay ary no ataovy. Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny Zanak’Israely mba tsy hahafaty azy ireo. Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny. Rehefa ren’i Adony-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ka nataony zavatra voaozona i Ay; ary araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany sady nanao fihavanana tamin’ny Israely ny mponina tany Gibeona ka tafatoetra eo aminy, dia raiki-tahotra indrindra izy satria tanàna lehibe i Gibeona, tahaka ny tanàn-dehibe iray ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, sady lehibe noho Ay, ary nahery daholo ny lehilahy tao. Koa nandefa iraka i Adony-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, ho any amin’i Hohama, mpanjakan’i Hebrona, i Pirama, mpanjakan’i Jarmota, i Jafia, mpanjakan’i Lakisy, ary i Debira, mpanjakan’i Eglona, hiteny hoe: Miakara atỳ amiko ka manampia ahy, hamelezantsika an’i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’i Josoa sy ny Zanak’Israely izy. Ary niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra dia nitoby tandrifin’i Gibeona ka namely azy. Ary nandefa iraka ho any amin’i Josoa teo an-toby tany Gilgala ny mponina tao Gibeona mba hiteny hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara haingana ho atỳ aminay ary vonjeo sy ampio izahay fa miangona hamely anay ny mpanjakan’ny Amorita rehetra izay monina any amin’ny tany havoana. Dia niakatra niala tany Gilgala i Josoa sy ny mpanafika rehetra tao aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra azy fa efa natolotra eo an-tananao izy ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza. Dia tonga tampoka tamin’ireo i Josoa fa nanao lava alina avy tany Gilgala izy. Ary NY TOMPO nampifanaritaka ireo teo anoloan’ny Israely; namely ireo tany Gibeona ny Israely ka nahafaty olona maro be sady nanenjika azy tamin’ny fiakarana mankany Bety-Horona ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda. Nony nandositra teo anoloan’ny Israely teo am-pidinan’i Bety-Horona izy ireo dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka NY TOMPO ka nahafaty azy. Be lavitra ny matin’ny havandra noho izay novonoin’ny Zanak’Israely tamin’ny sabatra. Tamin’io andro nanoloran’NY TOMPO ny Amorita teo anoloan’ny Zanak’Israely io i Josoa dia niteny tamin’NY TOMPO teo imason’ny Zanak’Israely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, dia mijanòna any an-dohasahan’i Aialona. Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, mandra-pamalin’ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin’ny Bokin’i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika saika indray andro manontolo. Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tatỳ aorianany, izay nihainoan’NY TOMPO ny feon’olona; fa NY TOMPO niady ho an’ny Israely. Avy eo i Josoa sy ny Israely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala. Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin’ny zohy any Makeda. Dia nolazaina tamin’i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin’ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy. Ary hoy i Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ny zohy ary asio olona eo anoloany hiambina azy; nefa aza mijanona ianareo, fa manenjeha ny fahavalonareo ka mameleza ny vodilalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo. Ary voaringan’i Josoa sy ny Zanak’Israely ireny mandra-pahalany ritra azy ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin’ny tanàna mimanda. Dia niverina soa amantsara ho any amin’i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin’ny Zanak’Israely intsony. Ary hoy indray i Josoa: Sokafy ny vavan’ny zohy ka avoahy tao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankaty amiko. Dia nataon’ny olona izany ka navoakany avy tao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo ho eo aminy, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy ary ny mpanjakan’i Eglona. Rehefa navoaka tao ireo mpanjaka ireo ka noentina ho eo amin’i Josoa dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ny Israely i Josoa ka niteny tamin’ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatòna ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona ireo ka nanao ny tongony teo amin’ny vozon’ireo. Ary hoy i Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’NY TOMPO amin’ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo. Rehefa afaka izany dia namely ireo i Josoa ka nahafaty azy ary nahantony tamin’ny hazo dimy ny fatiny; dia nihantona tamin’ny hazo ireo, mandra-paharivan’ny andro. Tamin’ny filentehan’ny masoandro kosa dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ilay zohy niereny ary nasiana vato lehibe teo amin’ny vavan’ny zohy ka mbola ao izany mandraka androany. Azon’i Josoa koa i Makeda tamin’izany andro izany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany. Naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa. Ary i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy; dia natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Israely koa izy sy ny mpanjakany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy mbamin’ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakany koa. Ary niala tany Libna i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy. Natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Israely koa i Lakisy ka azony tamin’ny andro faharoa, dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Libna koa. Ary niakatra i Horama, mpanjakan’i Gezera, hamonjy an’i Lakisy; dia nasian’i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paharingany. Niala tany Lakisy indray i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy, dia azony tamin’izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia nataony zavatra voaozona tamin’io andro io ihany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Lakisy. Niakatra niala tany Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy, dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao. Ary niverina i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy, dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy ka nataony zavatra voaozona avokoa ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay efa nataony tamin’i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’i Debira sy ny mpanjakany, tahaka izay efa nataony tamin’i Libna sy ny mpanjakany koa. Ary nasian’i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany amin’ny havoana, tany Negeva, tany Sefela ary ny tany am-pototry ny tendrombohitra. Tsy nasiany niangana ireny fa nataony zavatra voaozona avokoa ny manam-pofonaina rehetra, araka ny didin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Nasian’i Josoa izy ireo hatrany Kadesy-Barnea ka hatrany Gaza ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona. Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’i Josoa indray mandeha satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no niady ho an’ny Israely. Dia niverina ho any an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy. Rehefa nahare izany i Jabina, mpanjakan’i Hazora, dia nandefa iraka tany amin’i Jobaba, mpanjakan’i Madona, ny mpanjakan’i Simrona, ny mpanjakan’i Aksafa ary ireo mpanjaka tany amin’ny havoana any avaratra koa, ny tany amin’ny tany ngazana atsimon’i Kinerota, ny tany Sefela ary ny tany be havoana any Dora andrefana, dia tamin’ny Kananita any atsinanana sy any andrefana ary tamin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ny havoana ary tamin’ny Hivita tany am-pototr’i Hermona, tany amin’ny tany Mizpa. Ary nandeha izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy ka olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady dia maro indrindra. Rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo dia nandeha hiady tamin’ny Israely ka nitoby teo anilan’ny rano Meroma. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra azy fa rahampitso toy izao Aho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ny Israely; traingoy ny soavaliny ary doroy amin’ny afo ny kalesy fitondrany miady. Dia nandeha i Josoa sy ny vahoaka mpanafika rehetra teo aminy ka tonga tampoka teo amin’ireo teo amoron’ny rano Meroma, dia namely azy. Ary NY TOMPO nanolotra azy ireny teo an-tanan’ny Israely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-Maima ary hatrany amin’ny lohasaha Mizpa atsinanana dia namely azy izy mandra-paha tsy nisy niangana azy na dia iray akory aza. Ary nanatanteraka taminy araka izay efa nandidian’NY TOMPO azy i Josoa: Notraingoiny ny soavalin’ireny ary nodorany tamin’ny afo ny kalesy fitondrany miady. Tamin’izany koa dia niverina i Josoa ka naka an’i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin’ny sabatra satria i Hazora no renivohitr’ireny fanjakana rehetra ireny fahiny. Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka nataony zavatra voaozona avokoa: Tsy nisy olo-miaina tavela na dia iray akory aza ary i Hazora dia nodorany tamin’ny afo. Ary izay tanàna rehetra an’ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’i Josoa ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ka nataony zavatra voaozona, araka izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO. Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana kosa dia tsy mba nodoran’ny Israely, afa-tsy i Hazora ihany, izay nodoran’i Josoa. Nalain’ny Zanak’Israely ho babony ny fananana rehetra tao amin’ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy ary ny olona rehetra dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy mpanompony no nandidian’i Mosesy an’i Josoa dia izany no nataon’i Josoa: Tsy nisy namelany izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dia lasan’i Josoa avokoa izany tany rehetra izany, na ny havoana na i Negeva rehetra na i Gosena rehetra, na i Sefela na ny tany ngazana na ny tany be havoana any Israely sy ny tany lemaka any aminy koa, hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seìra ka hatrany Baala-Gada eo amin’ny lohasahan’i Libanona am-pototry ny tendrombohitra Hermona. Ary nosamboriny ny mpanjakany rehetra ka novonoiny ho faty. Naharitra no niadian’i Josoa tamin’ireny mpanjaka rehetra ireny. Tsy nisy tanàna nanao fihavanana tamin’ny Zanak’Israely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin’ny ady avokoa izy rehetra. Fa avy tamin’NY TOMPO no nanamafisan’ireo ny fony hiady amin’ny Israely mba hanaovany azy ho zavatra voaozona ka tsy nisy famindrampo ny amin’ny handringanana azy araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Mbola nandeha ihany i Josoa tamin’izany andro izany ka namongotra ny Anakita tany amin’ny havoana, dia tany Hebrona, Debira, Anaba, ary tany amin’ny tany be havoana any Joda rehetra, ary tany amin’ny tany be havoana any Israely rehetra. Nataon’i Josoa zavatra voaozona avokoa izy sy ny tanànany. Tsy nisy tavela tany amin’ny tanin’ny Zanak’Israely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa. Dia lasan’i Josoa avokoa ny tany manontolo, araka izay rehetra nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho lovan’ny Israely izany, araka ny fizaran’ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. Izao no mpanjakan’ny tany resin’ny Zanak’Israely ka nobaboiny ny tany, teny andafy atsinanan’i Jordana hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ny tany ngazana: I Sihona, mpanjakan’ny Amorita izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, teo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, hatreo afovoan’ny lohasaha sy ny antsasak’i Gileada ka hatramin’ny lohasahan-driaka Jaboka izay sisintanin’ny taranak’i Amona, ary ny ilany atsinanan’ny tany ngazana hatreo amin’ny ranomasina Kinerota ka hatramin’ny ranomasina Arabà, ny Ranomasintsira, amin’ny lalana mankany Bety-Jesimota, ary hatrany amin’ny tany atsimo eo amin’ny sisin’i Pisga. Azony koa ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, isan’ny Refaìta sisa, izay nitoetra tany Astarota sy Edrehy, nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona, tany Saleka ary tany Basana rehetra hatrany amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’i Gileada, faritanin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona. I Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny Zanak’Israely no nandresy ireo; ary nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny tanin’ireo. Ary izao no mpanjakan’ny tany izay resin’i Josoa sy ny Zanak’Israely tany andafy andrefan’i Jordana, hatrany Baala-Gada, eo an-dohasahan’i Libanona ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seìra; koa ny taniny dia nomen’i Josoa ny fokon’ny Israely araka ny fizarany, dia ny any amin’ny havoana, any Sefela, any amin’ny tany ngazana, any amin’ny tany an-tsisin’ny tendrombohitra, any an-tany efitra ary any Negeva, dia ny an’ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita: Ny mpanjakan’i Jeriko, iray; ny mpanjakan’i Ay izay eo anilan’i Betela, iray; ny mpanjakan’i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’i Hebrona, iray; ny mpanjakan’i Jarmota, iray; ny mpanjakan’i Lakisy, iray; ny mpanjakan’i Eglona, iray; ny mpanjakan’i Gezera, iray; ny mpanjakan’i Debira, iray; ny mpanjakan’i Gedera, iray; ny mpanjakan’i Horma, iray; ny mpanjakan’i Arada, iray; ny mpanjakan’i Libna, iray; ny mpanjakan’i Adolama, iray; ny mpanjakan’i Makeda, iray; ny mpanjakan’i Betela, iray; ny mpanjakan’i Tapoa, iray; ny mpanjakan’i Hefera, iray; ny mpanjakan’i Afeka, iray; ny mpanjakan’i Lasarona, iray; ny mpanjakan’i Madona, iray; ny mpanjakan’i Hazora, iray; ny mpanjakan’i Simrona-Merona, iray; ny mpanjakan’i Aksafa, iray; ny mpanjakan’i Tanàka, iray; ny mpanjakan’i Megido, iray; ny mpanjakan’i Kadesy, iray; ny mpanjakan’i Jokneama any Karmela, iray; ny mpanjakan’i Dora eo amin’ny havoanan’i Dora, iray; ny mpanjakan’i Goima any Gilgala, iray; ny mpanjakan’i Tirza, iray. Iraika amby telopolo no isan’ny mpanjaka rehetra. Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa ka hoy NY TOMPO taminy: Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana nefa be dia be ny tany sisa tsy mbola azo. Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an’ny Filistina sy ny Gesorita rehetra, hatrany Sihora izay atsinanan’i Ejipta, ka hatrany amin’ny sisintanin’i Ekrona eo avaratra izay isaina ho an’ny Kananita, an’ireo mpanjaka dimy amin’ny Filistina, sy ny Gazita, ny Asdodita, ny Askelonita, ny Gatita, ny Ekronita ary ny Avita any atsimo, dia ny tanin’ny Kananita rehetra sy i Meara izay an’ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatrany amin’ny sisintanin’ny Amorita, ary ny tanin’ny Gebalita sy i Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Baala-Gada eo am-pototry ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin’i Hamata, ary ny mponina rehetra any amin’ny havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-Maima, dia ny Sidoniana rehetra. Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ny antsapaka ho lovan’ny Zanak’Israely izy ireny araka izay nandidiako anao. Ary ankehitriny, zarao izao tany izao ho lovan’ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase. Niaraka tamin’ireo koa no nahazoan’ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen’i Mosesy azy any andafy atsinanan’i Jordana, araka izay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, azy, dia hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, ny tanàna izay eo afovoan’ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona, ny tanàna rehetra izay an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatrany amin’ny sisintanin’ny taranak’i Amona, i Gileada, ny tanin’ny Gesorita, ny Makatita, ny tendrombohitra Hermona rehetra ary i Basana rehetra hatrany Saleka, dia ny fanjakana rehetra an’i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarota sy Edrehy, izy ihany no sisa tamin’ny Refaìta fa resin’i Mosesy ireny ka noroahiny. Kanefa tsy mba noroahin’ny Zanak’Israely ny Gesorita sy ny Makatita fa mitoetra eo amin’ny Zanak’Israely mandraka androany izy ireo. Ny fokon’i Levy ihany no tsy nomeny lova; fa ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no lovany araka izay nolazainy taminy. Ary nomen’i Mosesy lova koa ny fokon’i Robena araka ny fianakaviany. Ny faritaniny dia hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona sy ny tanàna izay eo afovoan’ny lohasaha ary ny tany lemaka rehetra any Medeba, dia i Hesbona sy ny tanànany rehetra izay eo amin’ny tany lemaka, i Dibona, i Bamota-Baala, i Bety-Baala-Meona, i Jahaza, i Kedemota, i Mefata, i Kiriataima, i Sibma, i Zareta-Sahara ao amin’ny tendrombohitra mandondona eo ambonin’ny lohasaha, i Bety-Peora, ny ao an-tsisin’i Pisga, i Bety-Jesimota, ary ny tanàna rehetra any amin’ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona satria resin’i Mosesy izy sy ireo andrianan’ny Midianita, dia i Evy, i Rekema, i Zora, i Hora ary i Reba, izay andriana nanoa an’i Sihona ka nitoetra teo amin’ny tany. Ary i Balama, mpisikidy, zanak’i Beora, dia anisan’ireo izay novonoin’ny Zanak’Israely tamin’ny sabatra. Ny sisintanin’ny taranak’i Robena dia ny amoron’i Jordana. Izay no lovan’ny taranak’i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy. Nomen’i Mosesy koa ny fokon’i Gada, dia ny taranak’i Gada araka ny fianakaviany. Ary ny faritaniny dia i Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada, ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin’i Raba, hatrany Hesbona ka hatrany Ramata-Mizpa sy i Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatrany amin’ny faritanin’i Debira; ary tao amin’ny lohasaha, i Bety-Harama, i Bety-Nimra, i Sokota, i Zafona sy ny sisa tamin’ny fanjakan’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, ary ny moron’i Jordana hatramin’ny moron’ny ranomasina Kinereta, any andafy atsinanan’i Jordana. Izany no lovan’ny taranak’i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy. Nomen’i Mosesy koa ny antsasaky ny fokon’i Manase. Toy izao no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase araka ny fianakaviany avy: Ny faritaniny hatrany Mahanaima, dia i Basana manontolo, ny fanjakana rehetra an’i Oga, mpanjakan’i Basana, ary ny tanàna madinik’i Jaìra an’ny mpitoetra an-tranolay izay any Basana, dia tanàna enimpolo. Ary ny antsasak’i Gileada sy i Astarota ary i Edrehy, tanàna ao amin’ny fanjakan’i Oga any Basana, dia an’ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia ho an’ny antsasaky ny taranak’i Makira araka ny fokony. Ireo no voazaran’i Mosesy ho lova tany amin’ny lemak’i Moaba tao andafy atsinanan’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Tsy mba nomen’i Mosesy lova anefa ny fokon’i Levy; fa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy. Izao no nolovan’ny Zanak’Israely tao amin’ny tany Kanana izay nampandovain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fokon’ny Zanak’Israely azy. Tamin’ny antsapaka no nahazoany ny lovany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny foko sivy sy sasany. Fa efa nomen’i Mosesy lova tany andafin’i Jordana ny foko roa sy sasany; fa ny taranak’i Levy dia tsy mba nomeny lova teo aminy. Foko roa ny taranak’i Josefa, dia i Manase sy i Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ny tany ny taranak’i Levy, afa-tsy ny tanàna onenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ny omby aman’ondriny sy ny fananany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely, dia nizara ny tany izy. Dia nankany amin’i Josoa tany Gilgala ny taranak’i Joda; ary i Kaleba, zanak’i Jefone, kenizita, dia niteny taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, ny amiko sy ny aminao tany Kadesy-Barnea. Efapolo taona aho fony aho nirahin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, hiala tany Kadesy-Barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko. Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO Andriamanitro. Dia nianiana i Mosesy tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Ny tany izay nodiavin’ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay satria tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO Andriamanitro ianao. Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy NY TOMPO, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efapolo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’NY TOMPO izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-tany efitra ny Israely; ary ankehitriny indro, efa dimy amby valopolo taona aho izao. Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy: Tahaka ny tanjako tamin’izany ihany no mbola tanjako ankehitriny, na hivoaka hiady na hiverina. Koa ankehitriny, omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ, izay nolazain’NY TOMPO tamin’izany andro izany; fa efa renao tamin’io andro io fa mitoetra ao ny Anakita sady misy tanàna lehibe mimanda ao; angamba homba ahy NY TOMPO, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’NY TOMPO. Dia nitsodrano azy i Josoa ka nanome an’i Hebrona ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone. Izany no nahatonga an’i Hebrona ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone, kenizita, mandraka androany, satria tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izy. Ary i Kiriata-Arba no anaran’i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ny Anakita izany i Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony. Izao no anjaran’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka araka ny fianakaviany: Hatrany amin’ny sisintanin’i Edoma, dia ny tany efitra Zina atsimo, izay faran’ny faritany atsimo. Ary ny faritaniny atsimo dia hatrany amin’ny faran’ny Ranomasintsira, hatrany amin’ny helodrano atsimo, nandroso hatrany atsimon’ny fiakarana Akrabima, nandroso hatrany Zina, niakatra any atsimon’i Kadesy-Barnea, nandroso hatrany Hezrona, niakatra any Adara, niolaka hatrany Karka, nandroso hatrany Azmona, nahazo ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary nihatra tamin’ny ranomasina. Izany no ho sisintaninareo atsimo. Ny sisintany atsinanana dia ny Ranomasintsira hatrany amin’ny faran’i Jordana. Ny sisintaniny tamin’ny lafiny avaratra dia hatramin’ny helodrano eo amin’ny faran’i Jordana, niakatra hatrany Bety-Hogla, nandroso any avaratr’i Bety-Araba, niakatra hatramin’ny vaton’i Bohana, zanak’i Robena, niakatra ho any Debira hatramin’ny lohasaha Akora, nianavaratra manandrify an’i Gilgala tandrifin’ny fiakarana Adomima izay eo atsimon’ny lohasahan-driaka, nandroso hatrany amin’ny ranon’i Eny-Semesy, nihatra tany Eny-Rogela, niakatra teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, mankeo anilany atsimon’ny Jebosita na Jerosalema, niakatra hatramin’ny tampon’ny tendrombohitra izay manandrify ny lohasahan’i Hinoma eo andrefany, amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaìta, nizotra hatrany an-tampon’ny tendrombohitra, nihatra tamin’ny loharanon’i Neftoa, nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, nizotra hatrany Baala na Kiriata-Jearima, niolaka hatrany Baala andrefana hatrany amin’ny tendrombohitra Seìra, nandroso hatrany amin’ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima na Kesalona, nidina hatrany Bety-Semesy, nandroso hatrany Timna, nihatra tamin’ny lafiny avaratr’i Ekrona, nizotra hatrany Sikerona, nandroso hatrany amin’ny tendrombohitra Baala, nihatra tamin’i Jabniela, ary nihatra hatrany amin’ny ranomasina. Ary ny sisintany andrefana dia ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Izany no sisintany manodidina ny anjaran’ny taranak’i Joda araka ny fianakaviany. Ary i Kaleba, zanak’i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ny taranak’i Joda, araka ny didin’NY TOMPO tamin’i Josoa, dia ny Kiriata-Arba na tanànan’i Arba, rain’i Anàka; Hebrona izany. Dia noroahin’i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay. Niakatra avy tao izy hankany amin’ny mponina any Debira ary Kiriata-Sefera no anaran’i Debira taloha. Ary hoy i Kaleba: Izay mamely an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Aksa zanako vavy ho vadiny. Ary i Otniela, zanak’i Kenaza, rahalahin’i Kaleba, no nahazo azy ka nomeny azy i Aksa zanany vavy ho vadiny. Rehefa voampakatra Ravehivavy dia nanesika ny lahy hangataka saha tamin’ny rainy; dia niala tamin’ny borikiny haingana Ravehivavy ka hoy i Kaleba taminy: Inona no ilainao? Ary hoy izy: Omeo fanomezana manokana aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. Izao no lovan’ny foko taranak’i Joda araka ny fianakaviany: Ny tanàna any amin’ny faran’ny sisintanin’ny foko taranak’i Joda, manakaiky ny sisintanin’i Edoma amin’ny Negeva, dia i Kabzela, i Edera, i Jagora, i Kina, i Dimona, i Adada, i Kadesy, i Hazora, Itnana, i Zifa, i Telema, i Bealota, i Hazora-Hadata, i Keriota-Hezrona na i Hazora, i Amama, i Sema, i Molada, i Hazara-Gada, i Hesmona, i Bety-Paleta, i Hazara-Soala, i Bery-Sheba, i Biziotia, i Baala, Iima, i Azema, i Eltolada, i Kesila, i Horma, i Ziklaga, i Madmana, i Sansana, i Lebaota, i Silima, i Aina, i Rimona; sivy amby roapolo ny tanàna rehetra mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ary teo amin’ny tany Sefela dia i Estaola, i Zora, i Asna, i Zanoa, i Eny-Ganima, i Tapoa, i Enama, i Jarmota, i Adolama, i Soko, i Azeka, i Saraima, i Aditaima, i Gedera, i Gederotaima: Tanàna efatra amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy; ary i Zenana, i Hadasa, i Migdala-Gada, i Dilana, i Mizpa, i Joktela, i Lakisy, i Bozkata, i Eglona, i Kabona, i Lamasa, i Kitlisa, i Gederota, i Bety-Dagona, i Nama, i Makeda: Tanàna enina amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy, i Libna, i Etera, i Asana, i Jifta, i Asna, i Neziba, i Keila, i Akziba, i Maresa: Tanàna sivy sy ny vohitra miankina aminy; i Ekrona sy ny tanàna ao aminy mbamin’ny vohitra miankina aminy; hatrany Ekrona no miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’i Asdoda, mbamin’ireo vohitra miankina aminy, i Asdoda sy ny tanàna ao aminy mbamin’ny vohitra miankina aminy, i Gaza sy ny tanàna ao aminy mbamin’ny vohitra miankina aminy, hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta sy ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Ary tany amin’ny havoana dia i Samira, i Jatira, i Soko, i Dana, i Kiriata-Sana na i Debira, i Anaba, i Estemo, i Anima, i Gosena, i Holona, i Gilo: Tanàna iraika amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy; i Araba, i Doma, i Esana, i Janoma, i Bety-Tapoa, i Afeka, i Homta, i Kiriata-Arba na i Hebrona, ary i Ziora: Tanàna sivy mbamin’ny vohitra miankina aminy, i Maona, i Karmela, i Zifa, i Jota, i Jezirela, i Jokdeama, i Zanoa, i Kaina, i Gibea, i Timna: Tanàna folo mbamin’ny vohitra miankina aminy; i Halola, i Bety-Zora, i Gedora i Marata, i Bety-Anota, i Eltekona: Tanàna enina sy ny vohitra miankina aminy; i Kiriata-Baala na i Kiriata-Jearima, i Raba: Tanàna roa mbamin’ny vohitra miankina aminy. Tany an-tany efitra dia i Bety-Araba, i Midina, i Sekaka, i Nibsana sy ilay Tanànan-tsira ary i Eny-Gedỳ: Tanàna enina mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ary ny amin’ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’i Joda; fa miara-monina amin’ny taranak’i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny. Ny faritry ny tany azon’ny taranak’i Josefa tamin’ny antsapaka dia hatrany Jordana tandrifin’i Jeriko, dia tao amin’ny ranon’i Jeriko atsinanana, hatrany amin’ny tany efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamakivaky ny tany be havoana any Betela, hatreo Betela ka hatrany Lozy, nandroso hatrany amin’ny sisintanin’ny Arkita any Atarota, nidina niankandrefana nahazo ny sisintanin’ny Jafleta ka hatramin’ny sisintanin’i Bety-Horona ambany sy i Gezera, nihatra tamin’ny ranomasina. Dia nandray ny lovany i Manase sy i Efraima, taranak’i Josefa. Ny sisintanin’ny taranak’i Efraima araka ny fokony kosa dia izao: Ny sisintany atsinanana amin’ny lovany dia hatrany Atarota-Adara ka hatrany Bety-Horona ambony. Ary ny sisintaniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’i Mikmeta, niolaka niantsinanana hatrany Tanata-Silo, nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha, nidina hatrany Janoha, hatrany Atarota sy Narata, nipaka hatrany Jeriko ary nihatra tany Jordana. Avy ao Tapoa, ny sisintany dia miantoraka mankany andrefana hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Kana ka mihatra amin’ny ranomasina. Izany no lovan’ny foko taranak’i Efraima araka ny fianakaviany avy, mbamin’ny tanàna natokana ho an’ny taranak’i Efraima teo amin’ny lovan’ny taranak’i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera izy; fa monina eo amin’i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana. Nahazo zaratany tamin’ny antsapaka koa ny fokon’i Manase, fa izy no lahimatoan’i Josefa, dia i Makira, lahimatoan’i Manase, rain’i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’i Gileada sy i Basana. Nisy koa ho an’ny taranak’i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ny taranak’i Abiezera, ny taranak’i Heleka, ny taranak’i Asriela, ny taranak’i Sekema, ny taranak’i Hefera ary ny taranak’i Semida: Ireo no zanakalahin’i Manase, zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany avy. Fa i Zelofada, zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, kosa dia tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ny zanany vavy: I Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza. Dia nanatona teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholona izy ireo ka niteny hoe: NY TOMPO efa nandidy an’i Mosesy hanome anay zaratany eo amin’ny anadahinay. Ary nomeny lova teo amin’ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’NY TOMPO. Dia nahazo anjara folo i Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izay any andafin’i Jordana, satria ny zanakavavin’i Manase dia niara-nahazo lova tamin’ny zanany lahy; ary ny tany Gileada dia an’ny zanakalahin’i Manase sisa. Ny sisintanin’i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin’i Sekema, dia mandroso mianatsimo, hatrany Jamina, hatrany amin’ny mponina any Eny-Tapoa. Ary an’i Manase ny faritr’i Tapoa; fa i Tapoa izay eo amin’ny sisintanin’i Manase kosa dia an’ny taranak’i Efraima. Ny sisintaniny dia nidina hatreo atsimon’ny lohasahan-driakan’i Kana; ireo tanàna teo amin’ny tanànan’i Manase ireo dia an’i Efraima; ary ny sisintanin’i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka ka nihatra tamin’ny ranomasina. Ny atsimo dia an’i Efraima, ary ny Avaratra dia an’i Manase, koa ny ranomasina no sisintaniny; ary nipaka tamin’i Asera teo avaratra sy tamin’Isakara teo atsinanana izy. Nahazo anjara koa i Manase teo amin’Isakara sy teo amin’i Asera, dia Bety-Sana sy ny vohitra miankina aminy, Ibleama mbamin’ny vohitra miankina aminy, ny mponina any Dora mbamin’ny vohitra miankina aminy, ny mponina any Eny-Dora koa mbamin’ny vohitra miankina aminy, ao koa ny mponina any Tanàka mbamin’ny vohitra miankina aminy ary ny mponina any Megido mbamin’ny vohitra miankina aminy, dia amin’ny faritany telo ireo. Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak’i Manase, fa tian’ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany. Rehefa nihanahery anefa ny Zanak’Israely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy fa tsy nandroaka azy rehetra. Niteny tamin’i Josoa indray ny taranak’i Josefa hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa efa tonga firenena lehibe aho, fa notahìn’NY TOMPO toy izao mandraka ankehitriny? Dia hoy i Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao dia miakara any amin’ny ala ka miteveza honenanao any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaìta, fa tery loatra aminao ny tany havoanan’i Efraima. Ary hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny havoana; sady manana kalesy vy fitondra miady ny Kananita rehetra izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Bety-Sana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela. Dia hoy i Josoa tamin’ny taranak’i Josefa, dia i Efraima sy i Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra; tsy anjara iray ihany no ho azonao fa ny havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao manontolo izany. Fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy fitondra miady aza izy ireo sady mahery. Nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka nanangana ny tranolay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany. Nisy foko fito tamin’ny Zanak’Israely anefa tsy mbola nahazo ny lovany. Dia hoy i Josoa tamin’ny Zanak’Israely: Mandra-pahoviana ianareo no hiraviravy tanana tsy hiditra handray ny tany izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, anareo? Manendre telo lahy avy isam-poko, dia haniraka azy aho ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany mba hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko. Ary hizara azy ho fito toko izy; koa ny Joda dia hijanona any amin’ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa dia hijanona any amin’ny taniny ao avaratra. Soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao antsapaka ho anareo eto anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika aho. Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny levita fa ny fisoronana amin’NY TOMPO no lovany; ary i Gada sy i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny lovany any andafy atsinanan’i Jordana izay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, azy. Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary nandidy izay nandeha hanoratra ny tany i Josoa hoe: Mandehana mitety ny tany ka soraty ireny, dia miverena atỳ amiko fa eto Silo no hanaovako antsapaka ho anareo eo anatrehan’NY TOMPO. Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy ireo tamin’ny boky ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary niverina tany amin’i Josoa tao an-toby tao Silo. Nanao antsapaka ho azy tao Silo teo anatrehan’NY TOMPO i Josoa; ary tao no nizarany ny tany ho an’ny Zanak’Israely araka ny anjarany. Dia nahazo ny anjarany tamin’ny antsapaka ny fokon’i Benjamina isam-pianakaviany; ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa. Ny sisintaniny amin’ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka miakatra hatrany amin’ny ilan’i Jeriko amin’ny avaratra, niakatra niankandrefana nahazo ny havoana, nihatra tamin’ny tany efitr’i Bety-Avena; hatreo dia mandroso hatrany Lozy, hatrany amin’ny ilany atsimon’i Lozy na Betela, midina hatrany Atarota-Adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Bety-Horona ambany, miolaka amin’ny lafiny andrefana, mianatsimo hatramin’ny tendrombohitra izay eo anoloan’i Bety-Horona eo atsimo, mihatra any Kiriata-Baala na Kiriata-Jearima, tanànan’ny taranak’i Joda: Izay no lafiny andrefana. Ary ny lafiny atsimo dia hatrany amin’ny sisin’i Kiriata-Jearima; ary ny sisintany dia mandroso miankandrefana, mihatra amin’ny loharanon’i Neftoa, midina hatrany amin’ny faran’ny tendrombohitra, izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, eo amin’ny lohasahan’ny Refaìta eo avaratra, midina hatramin’ny lohasahan’i Hinoma, hatramin’ny ilany atsimon’ny Jebosita, midina hatrany Eny-Rogela, mizotra avy any avaratra, mandroso hatrany Eny-Semesy sy i Gelilota izay tandrifin’ny fiakarana Adomima, midina hatramin’ny vaton’i Bohana, zanak’i Robena, mandroso hatrany amin’ny ilany avaratra tandrifin’ny tany ngazana, midina hatrany amin’ny tany ngazana, mandroso hatramin’ny ilany avaratr’i Bety-Hogla, mihatra amin’ny helodrano avaratra amin’ny Ranomasintsira, eo amin’ny farany atsimo amin’i Jordana: Izay no sisintany atsimo. Ary i Jordana no mamaritra ny sisintaniny atsinanana. Ireo no lovan’ny taranak’i Benjamina sy ny sisintany manodidina azy, araka ny fokony. Ary ny tanànan’ny fokon’i Benjamina araka ny fianakaviany dia i Jeriko sy i Bety-Hogla ary ny lohasahan’i Keziza, i Bety-Arabà, i Zemaraima, i Betela, i Avima, i Para, i Ofra, i Kefara-Hamony, i Ofny, i Geba: Tanàna roa amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy; i Gibeona, i Rama, i Berota, i Mizpa, i Kefira, i Moza, i Rekema, Iripela, i Tarala, i Zela, i Elefa, ny Jebosita na Jerosalema, i Gibea sy i Kiriata: Tanàna efatra amby folo sy ny vohitra miankina aminy. Izay no lovan’ny taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany. Ny anjara faharoa azo tamin’ny antsapaka dia azon’i Simeona, dia ny fokon’i Simeona isam-pianakaviany; ary ny lovany dia tao anatin’ny lovan’ny taranak’i Joda. Ary izao no azony ho lovany: i Bery-Sheba na i Seba, i Molada, i Hazara-Soala, i Baala, i Azema, i Eltolada, i Betola, i Horma, i Ziklaga, i Bety-Markabota, i Hazara-Sosa, i Bety-Lebaota ary i Sarohena: Tanàna telo amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy; i Aina, i Rimona, i Etera, ary i Asana: Tanàna efatra mbamin’ny vohitra miankina aminy; ary ny vohitra miankina aminy rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-Bera sy i Rama amin’ny Negeva. Ireo no lovan’ny foko taranak’i Simeona araka ny fianakaviany. Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, koa izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy. Ny anjara fahatelo azo tamin’ny antsapaka dia azon’ny taranak’i Zebolona isam-pianakaviany; ny sisintanin’ny lovany dia hatrany Sarida, miakatra miankandrefana hatrany Marala, mahazo an’i Dabeseta, mihatra amin’ny lohasahan-driaka tandrifin’i Jokneama; mitodika miantsinanana hatrany Sarida, hatramin’ny sisintanin’i Kislota-Tabara, mandroso hatrany Daberata, miakatra hatrany Jafia, mandroso miantsinanana hatrany Gata-Hefera sy Ita-Kazina, mandroso hatrany Rimona, izay mipaka any Nea, miolaka eo avaratr’iny ka mahazo an’i Hanatona, mihatra amin’ny lohasaha Jifta-Ela. Ary i Katata, i Nahalola, i Simrona, Idala ary i Betlehema, dia tanàna roa amby folo sy ny vohitra miankina aminy. Izany no lovan’ny taranak’i Zebolona araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ny anjara fahefatra azo tamin’ny antsapaka dia azon’Isakara, dia ny taranak’Isakara isam-pianakaviany. Ny sisintaniny dia hatrany Jezirela, i Kesolota, i Sonema, i Hafraima, i Siona, i Anaharata, i Rabita, i Kisiona, i Abeza, i Remeta, i Eny-Ganima, i Eny-Hada ary i Bety-Pazeza. Ary ny faritaniny dia mahazo an’i Tabara, i Sahazoma, i Bety-Semesy, ka nihatra tany Jordana: Tanàna enina amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ireo no lovan’ny foko taranak’Isakara araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ny anjara fahadimy azo tamin’ny antsapaka dia azon’ny fokon’i Asera isam-pianakaviany. Ny sisintaniny dia i Helkata, i Haly, i Batena, i Aksafa, i Alameleka, i Amada ary i Misala, dia mihatra amin’i Karmela eo andrefana sy i Sihora-Libnata, avy eo mitodika miantsinanana ho any Bety-Dagona, mihatra amin’i Zebolona, ny lohasaha Jifta-Ela any avaratra, i Bety-Emeka, i Neiela, mihatra amin’i Kabola eo ankavia, i Ebrona, i Rehoba, i Hamona, i Kana, hatrany Sidona lehibe, mitodika hatrany Rama sy hatrany Tiro, tanàna mimanda, mitodika hatrany Hosa, mihatra amin’ny ranomasina eo akaikin’ny tany Akziba, i Oma, i Afeka ary i Rehoba: Tanàna roa amby roapolo mbamin’ny vohitra miankina aminy. Izany no lovan’ny foko taranak’i Asera araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny vohitra miankina aminy. Ny anjara fahenina azo tamin’ny antsapaka dia an’ny taranak’i Naftaly isam-pianakaviany. Ny sisintaniny dia hatrany Halefa ka hatrany amin’ny hazo terebinta ao Zananima, hatrany Adamy-Hanekeba, i Jabniela, hatrany Lakoma, mihatra tamin’i Jordana, mitodika miankandrefana hatrany Aznota-Tabara, mandroso hatrany Hokoka, mihatra amin’i Zebolona eo atsimo sy i Asera eo andrefana ary Joda amoron’i Jordana eo atsinanana. Ary ny tanàna mimanda dia i Zidima, i Zera, i Hamata, i Rakata, i Kinereta, i Adama, i Rama, i Hazora, i Kadesy, i Edrehy, i Eny-Hazora, Irona, i Migdala-Ela, i Horema, i Bety-Anata ary i Bety-Semesy: Tanàna sivy amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ireo no lovan’ny fokon’i Naftaly araka ny fianakaviana, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy. Ny anjara fahafito azo tamin’ny antsapaka dia an’ny fokon’i Dana araka ny fianakaviany. Ary ny faritanin’ny lovany dia i Zora, i Estaola, Ira-Semesy, i Salabima, i Aialona, i Jitla, i Elona, i Timna, i Ekrona, i Elteke, i Gibetona, i Balata, i Jehoda, i Bene-Beraka, i Gata-Rimona, i Me-Jarkona, i Rakona ary ny tany tandrifin’i Jopa. Ny sisintanin’ny taranak’i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’i Dana, dia niady tamin’i Lesema ka naharesy azy ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’i Dana rainy. Izany no lovan’ny fokon’i Dana araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny vohitra miankina aminy. Rehefa vitan’ny zanak’Israely ny fizarana ny tany holovany araka ny sisintaniny avy dia nomeny lova teo aminy koa i Josoa, zanak’i Nona. Araka ny tenin’NY TOMPO dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia i Timnata-Sera any amin’ny tany havoanan’i Efraima; dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nitoerany. Ireo no lova izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely tao Silo teo anatrehan’NY TOMPO, dia teo am-baravaran’ny tranolay fihaonana, araka ny antsapaka. Ary vitany avokoa ny fizarany ny tany. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Josoa hoe: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Fidio ny tanàna fialofana izay nasaiko nolazain’i Mosesy taminareo, handosiran’izay nahafaty olona tamin’ny fanahy tsy niniana; koa ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra. Raha misy mandositra ho ao amin’ny tanàna iray amin’ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ny vavahady ary mandahatra ny raharahany eo anatrehan’ny loholona amin’izany tanàna izany dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana mba hitoetra ao aminy. Ary raha manenjika azy ny mpamaly ra dia tsy hanolotra azy ho eo an-tanany izy satria ilay nahafaty olona dia nahafaty tsy nahy ny namany fa tsy nankahala azy teo aloha. Dia hitoetra ao amin’izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana mba hotsaraina, sy mandra-pahafatin’izay Mpisoronabe amin’izany fotoanandro izany; fa avy eo dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna izay nialany fony izy nandositra. Dia nanokana an’i Kadesy any Galilia any amin’ny tany be havoana any Naftaly sy i Sekema any amin’ny tany be havoana any Efraima ary i Kiriata-Arba na i Hebrona any amin’ny tany be havoana any Joda ny Zanak’Israely. Ary nifidy an’i Bezera any an-tany efitra amin’ny tany lemaka izay an’ny fokon’i Robena, sy Ramota izay any Gileada, an’ny fokon’i Gada, ary i Golana any Basana, izay an’ny fokon’i Manase, any andafy atsinanan’i Jordana, tandrifin’i Jeriko koa izy ireo. Ireo no tanàna voafidy ho an’ny Zanak’Israely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana. Ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita dia nanatona an’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely, ka niteny taminy tao Silo tao amin’ny tany Kanana hoe: NY TOMPO efa nampandidy an’i Mosesy mba homena tanàna hitoerana sy tany manodidina azy ho an’ny biby fiompinay izahay. Avy tamin’ny lovany no nanomezan’ny Zanak’Israely ny levita ireny tanàna ireny sy ny tany manodidina azy avy, araka ny didin’NY TOMPO. Dia nahazo anjara tamin’ny antsapaka ny fianakavian’ny Kehatita; ny anjara azon’ny taranak’i Arona mpisorona isan’ny levita dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona ary ny fokon’i Benjamina. Ny anjara azon’ny taranak’i Kehata sisa tamin’ny antsapaka dia tanàna folo, avy tamin’ny fokon’i Efraima sy ny fokon’i Dana ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Ny anjara azon’ny taranak’i Gersona tamin’ny antsapaka dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’Isakara sy ny fokon’i Asera sy ny fokon’i Naftaly ary tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase any Basana. Ny anjara azon’ny taranak’i Merary isam-pokony tamin’ny antsapaka dia tanàna roa amby folo, avy tamin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary fokon’i Zebolona. Nomen’ny Zanak’Israely ny levita tamin’ny antsapaka ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nandidian’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy. Nomen’ny zanak’Israely avy tamin’ny foko taranak’i Joda sy ny foko taranak’i Simeona ireto tanàna hotononina anarana ireto, izay azon’ny taranak’i Arona, isam-pianakavian’ny taranak’i Kehata, amin’ny taranak’i Levy; fa azy ny anjara voalohany tamin’ny antsapaka. Dia nomeny azy Kiriata-Arba na ny tanànan’i Arba, rain’i Anàka, dia i Hebrona izany, any amin’ny tany be havoana any Joda, mbamin’ny tany manodidina azy. Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohitra miankina aminy dia nomeny ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone. Nomeny ny taranak’i Arona mpisorona i Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, nanampiny azy i Libna sy ny tany manodidina azy, i Jatira sy ny tany manodidina azy, i Estemoa sy ny tany manodidina azy, i Holona sy ny tany manodidina azy, i Debira sy ny tany manodidina azy, i Aina sy ny tany manodidina azy, i Jota sy ny tany manodidina azy, i Bety-Semesy sy ny tany manodidina azy: Tanàna sivy avy tamin’ireo foko roa ireo; ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Gibeona sy ny tany manodidina azy, i Geba sy ny tany manodidina azy, i Anatota sy ny tany manodidina azy, i Almona sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra. Ny tanàna rehetra an’ny mpisorona, taranak’i Arona, dia telo amby folo sy ny tany manodidina azy avy. Ny amin’ny taranak’i Kehata, dia ny levita sisa tamin’ny taranak’i Kehata, ny tanàna azony tamin’ny antsapaka dia avy tamin’ny fokon’i Efraima. Nomen’ny zanak’Israely azy i Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ny tany be havoana any Efraima, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Gezera sy ny tany manodidina azy, i Kibzaima sy ny tany manodidina azy, i Bety-Horona sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra; ary avy tamin’ny fokon’i Dana, dia i Elteke sy ny tany manodidina azy, i Gibetona sy ny tany manodidina azy, i Aialona sy ny tany manodidina azy, i Gata-Rimona sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra; avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia i Tanàka sy ny tany manodidina azy, i Gata-Rimona sy ny tany manodidina azy: Tanàna roa. Ny tanàna rehetra azon’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa dia folo, miampy ny tany manodidina azy avy. Izao no azon’ny taranak’i Gersona, isan’ny taranaky ny levita; avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Bestera sy ny tany manodidina azy: Tanàna roa; ary avy tamin’ny fokon’Isakara dia i Kisiona sy ny tany manodidina azy, i Daberata sy ny tany manodidina azy, i Jarmota sy ny tany manodidina azy, i Eny-Ganima sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra; ary avy tamin’ny fokon’i Asera dia i Misala sy ny tany manodidina azy, i Abdona sy ny tany manodidina azy, i Helkata sy ny tany manodidina azy, i Rehoba sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra; avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia i Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Hamota-Dora sy ny tany manodidina azy, i Kartana sy ny tany manodidina azy: Tanàna telo. Ny tanàna rehetra an’ny Gersonita araka ny fianakaviany dia telo amby folo sy ny tany manodidina azy avy. Izao no azon’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, izay levita sisa: Avy tamin’ny fokon’i Zebolona dia i Jokneama sy ny tany manodidina azy, i Karta sy ny tany manodidina azy, i Dimna sy ny tany manodidina azy, i Nahalola sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra; avy tamin’ny fokon’i Robena dia i Bezera sy ny tany manodidina azy, i Jahaza sy ny tany manodidina azy, i Kedemota sy ny tany manodidina azy, i Mefata sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra; ary avy tamin’ny fokon’i Gada, dia i Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, ao koa i Mahanaima sy ny tany manodidina azy, i Hesbona sy ny tany manodidina azy, i Jazera sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra izy rehetra. Ny tanàna rehetra an’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany, izay sisa tamin’ny fianakavian’ny levita, dia tanàna roa amby folo no anjara azony tamin’ny antsapaka. Ny tanàna rehetra an’ny levita tao anatin’ny lovan’ny Zanak’Israely dia valo amby efapolo, miampy ny tany manodidina azy avy. Ireo tanàna ireo dia samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo. Dia nomen’NY TOMPO ny Israely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nolovainy izany ka nonenany. Dia nomen’NY TOMPO fitsaharana amin’ny manodidina izy, araka izay rehetra nianianany tamin’ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotry NY TOMPO teo an-tanany avokoa ny fahavalony rehetra. Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO tamin’ny taranak’Israely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany. Tamin’izay dia nantsoin’i Josoa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ka hoy izy taminy: Ianareo dia efa nitandrina izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin’izay rehetra nandidiako anareo; tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin’izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain’NY TOMPO Andriamanitrareo hotandremanareo. Ary ankehitriny dia efa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny ka mankanesa any amin’ny tranolainareo avy, ho any amin’ny taninareo, izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo any andafin’i Jordana. Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nampanaovin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo, hitiavanareo NY TOMPO Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo Aminy ary hanompoanareo Azy amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo. Ary nitsodrano azy i Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin’ny tranolainy avy izy. Ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nomen’i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa dia nomen’i Josoa teo amin’ny rahalahiny etỳ andafy andrefan’i Jordana. Ary raha nampodìn’i Josoa ho any amin’ny tranolainy koa ireo dia notsofiny rano sady nilazany hoe: Modia ho any amin’ny tranolainareo avy ianareo, mitondra harena be, omby aman’ondry be mihitsy, volafotsy, volamena, varahina, vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ny fahavalonareo. Dia nody ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ka nandao ny Zanak’Israely tao Silo izay ao amin’ny tany Kanana ka nankany amin’ny tany Gileada ho any amin’ny zarataniny izay azony araka ny tenin’NY TOMPO nasainy nolazain’i Mosesy. Nony tonga teo amoron’i Jordana teo amin’ny tany Kanana ny taranak’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nanorina alitara teo, ary lehibe ny fijery izany alitara izany. Ary nisy nilaza tamin’ny Zanak’Israely hoe: Indreo, ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nanorina alitara amin’ny sisin’ny tany Kanana, eo amoron’i Jordana, anatin’ny tanin’ny Zanak’Israely. Nony ren’ny Zanak’Israely izany dia niangona tao Silo ny fiangonana dia ny Zanak’Israely manontolo, mba hiakatra hiady aminy. Dia naniraka an’i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, ny Zanak’Israely ho any amin’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, any amin’ny tany Gileada; ary nisy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-poko tamin’ny Israely rehetra: Samy lohan’ny fianakaviany tamin’ny arivon’ny Israely ireo. Tonga tany amin’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase tany amin’ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’ny fiangonan’NY TOMPO rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin’Andriamanitry ny Israely, no dia niala tamin’ny fanarahana NY TOMPO ianareo androany tamin’ny nanorenanareo alitara ka mikomy amin’NY TOMPO ankehitriny? Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’i Peora izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’izany mandraka androany, na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ny fiangonan’NY TOMPO, no dia mikomy miala amin’ny fanarahana NY TOMPO ianareo anio? Raha mikomy amin’NY TOMPO ianareo anio dia ho tezitra amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo Izy rahampitso. Kanefa raha maloto ny taninareo dia mità ho any amin’ny tanin’NY TOMPO izay itoeran’ny tabernakelin’NY TOMPO, koa makà fonenana any aminay fa aza mikomy amin’NY TOMPO, na mikomy aminay, amin’ny anorenanareo alitara hafa noho ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika. Tsy nandika ny didy va i Akana, zanak’i Zera, tamin’ny zavatra voaozona, kanefa nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Israely manontolo? Ary tsy io lehilahy io irery ihany no maty tamin’izany helony izany. Dia namaly ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ka niteny tamin’ny mpifehy arivo tamin’ny Israely hoe: Andriamanitra Andriananahary, dia NY TOMPO; eny, Andriamanitra Andriananahary, dia NY TOMPO, Izy no mahalala, ary ny Israely koa dia hahalala; raha fikomiana na fahadisoana amin’NY TOMPO izao dia aza mba mamonjy anay akory ianao anio. Raha izany no nanorenanay alitara mba hiala amin’ny fanarahana NY TOMPO, na hanatitra fanatitra dorana manontolo na fanatitra avy amin’ny zavamaniry na fanati-pihavanana, eo amboniny, dia aoka NY TOMPO no hanadina; fa tahotra tokoa no anton’ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely? Fa i Jordana no nataon’NY TOMPO sisintany eo anelanelantsika, ry taranak’i Robena sy i Gada, ka tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo; koa hampitsaharin’ny taranakareo tsy hatahotra NY TOMPO ny taranakay. Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanolorana fanatitra dorana manontolo anefa, na fanatitra hafa alatsa-dra, fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana NY TOMPO eo anatrehany amin’ny hanolorana fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo. Ary hoy koa izahay: Raha toa ka lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran’NY TOMPO izay nataon’ny razanay, tsy hanolorana fanatitra dorana manontolo anefa na fanatitra hafa alatsa-dra io fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta. Sanatria aminay raha hikomy amin’NY TOMPO ka hiala indray amin’ny fanarahana NY TOMPO hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana manontolo, na fanatitra avy amin’ny zavamaniry na fanatitra hafa alatsa-dra, afa-tsy ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika izay eo anoloan’ny tabernakeliny. Rehefa ren’i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’Israely izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase, dia nankasitrahany izany. Ary hoy i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, tamin’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika NY TOMPO satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’NY TOMPO ianareo; ary amin’izany dia efa namonjy ny Zanak’Israely tamin’ny tanan’NY TOMPO ianareo. Ary i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’i Robena sy i Gada tany amin’ny tany Gileada ka nankany amin’ny tany Kanana ho any amin’ny Zanak’Israely ary nitondra valinteny ho any aminy. Nankasitrahan’ny Zanak’Israely izany ka nisaotra an’Andriamanitra ny Zanak’Israely ary tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ny taranak’i Robena sy i Gada. Dia nasian’ny taranak’i Robena sy i Gada anarana ilay alitara, fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa NY TOMPO no Andriamanitra. Rehefa afaka fotoana ela, taorianan’ny nanomezan’NY TOMPO fitsaharana ho an’ny Israely ho afaka amin’ny fahavalony rehetra manodidina, ary efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa, dia nantsoin’i Josoa ny Israely rehetra, dia ny loholony, ny lehibeny, ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy ka hoy izy taminy: Efa zokiolona aho izao ka mandroso fahanterana, ary ianareo dia efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo no niady ho anareo. Indreo, efa voazarako ho lovan’ny fokonareo tamin’ny antsapaka ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana. Ary NY TOMPO Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo. Ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo taminareo. Dia mahereza tsara ianareo mitandrina sy manatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba tsy hankanesanareo any amin’ireo firenena sisa eo aminareo ireo. Ny anaran’ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; fa NY TOMPO Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo NY TOMPO; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. Ny lehilahy iray aminareo dia manenjika ny arivo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo. Tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo. Fa raha mihemotra ianareo ka miray amin’ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo, dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony NY TOMPO Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ny tehezanareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo mandra-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity. Ary indro, efa handeha ho amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: Tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza. Tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’NY TOMPO aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity. Amin’izay hivadihanareo ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nandidiany anareo sy handehananareo hanompo ireo andriamanitra hafa ary hiankohofanareo eo anatrehany dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ary ho lany ringana haingana ianareo tsy ho eo amin’ny tany soa nomeny anareo. Ary nanangona ny fokon’ny Israely rehetra tany Sekema i Josoa ka niantso ny loholon’ny Israely, ny lehibeny, ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, dia niara-niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Ary hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tany andafin’ny ony Eofrata no nonenan’ny razanareo tany aloha, dia i Tera, rain’i Abrahama sy i Nahora; ary nanompo andriamanitra hafa izy. Dia naka an’i Abrahama razanareo avy tany andafin’ny ony Eofrata Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’Isaka ho zanany. Ary Isaka koa dia nomeko an’i Jakoba sy i Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’i Esao ny tendrombohitra Seìra; fa i Jakoba sy ny taranany kosa dia nankany Ejipta. Dia naniraka an’i Mosesy sy i Arona Aho ka namely an’i Ejipta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany dia nitondra anareo nivoaka avy tany Aho. Nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Ejipta Aho dia tonga teo amin’ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ny Ranomasina Mena ny Ejiptiana, nitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ka nasiany haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptiana sady nakatony taminy ny ranomasina ka nasarony azy ary ny masonareo dia nahita izay nataoko tany Ejipta; ary nitoetra ela tany an-tany efitra ianareo. Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amorita izay nonina tany andafin’i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho mba handovanareo ny taniny ary nandringana azy teo anoloanareo Aho. Dia nitsangana i Balaka, zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, ka niady tamin’ny Israely; dia nandefa iraka haka an’i Balama, zanak’i Beora, izy, hanozona anareo. Fa tsy nety nihaino an’i Balama anefa Aho, koa nitahy anareo tokoa izy ary namonjy anareo tamin’ny tanany Aho. Nita an’i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ny Amorita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hetita, ny Girgasita, ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny. Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra izay nandroaka ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita teo anoloanareo, fa tsy tamin’ny sabatrao na tamin’ny tsipìkanao. Ary nomeko tany izay tsy nisasaranareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo dia nonina tao; ary nihinana ny avy amin’ny tanim-boaloboka sy ny tanin’oliva izay tsy nambolenareo ianareo. Koa ankehitriny, matahora NY TOMPO ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata sy tany Ejipta ka manompoa NY TOMPO. Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo NY TOMPO dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata na ny andriamanitry ny Amorita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo NY TOMPO izahay. Dia namaly ny vahoaka hoe: Sanatria raha hahafoy NY TOMPO izahay ka hanompo izay andriamanitra hafa. Fa NY TOMPO Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ny firenena rehetra izay notetezintsika. Ary NY TOMPO nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo NY TOMPO fa Izy no Andriamanitsika. Ary hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: Tsy mahay manompo NY TOMPO ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. Raha mahafoy NY TOMPO ianareo ka manompo andriamanitra hafa dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo rehefa avy nanisy soa anareo. Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: Tsia, fa NY TOMPO ihany no hotompoinay. Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ny tenanareo ianareo fa efa nifidy NY TOMPO hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny, vavolombelona izahay. Arionareo ary ankehitriny ny andriamanitra hafa izay eo aminareo ka ampanatony NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny fonareo. Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: NY TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay. Ary nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Josoa tamin’izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema. Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ny hazo terebinta izay teo anilan’ny toerana masin’NY TOMPO. Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo. Dia nampodìn’i Josoa samy ho any amin’ny lovany avy ny vahoaka. Ary taorianan’izany zava-nitranga rehetra izany dia maty i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’NY TOMPO, rehefa folo amby zato taona ny androny. Dia nalevina tao amin’ny faritanin’ny lovany izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tany be havoana any Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gaasy. Ary nanompo NY TOMPO ny Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa sy tamin’ny andro rehetra niainan’ny loholona izay velona taorianan’i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon’NY TOMPO ho an’ny Israely. Ary ny taolan’i Josefa izay efa noentin’ny Zanak’Israely avy tany Ejipta dia naleviny tao Sekema tao amin’ny tany izay novidin’i Jakoba volafotsy zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema; dia tonga lovan’ny taranak’i Josefa izany. Dia maty koa i Eleazara, zanak’i Arona, ka naleviny teo amin’ny havoanan’i Finehasa zanany izay nomena azy tany amin’ny tany be havoana any Efraima. Rehefa maty i Josoa dia nanontany NY TOMPO ny Zanak’Israely hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny Kananita? Hoy NY TOMPO: I Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tanany Aho. Hoy i Joda tamin’i Simeona rahalahiny: Andeha ianao hiara-miakatra amiko ho any amin’ny lovako ka aoka isika hiady amin’ny Kananita; izaho kosa handeha hiaraka aminao ho any amin’ny lovanao. Dia nandeha niaraka taminy i Simeona. Dia niakatra i Joda, ary natolotry NY TOMPO teo an-tanany ny Kananita sy ny Perizita ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy. Ary nahita an’i Adonỳ-Bezeka tany Bezeka izy dia niady taminy ka nandresy ny Kananita sy ny Perizita. Nefa nandositra i Adonỳ-Bezeka ka nanenjika azy izy ireo ary nisambotra azy dia nanapaka ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongony. Dia hoy i Adonỳ-Bezeka: Mpanjaka fitopolo voatapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra no nitsindroka hanina tao ambanin’ny latabatro; koa mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’Andriamanitra ahy! Ary noentin’ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany. Nanafika an’i Jerosalema ny taranak’i Joda ka nahazo azy dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra sy nandoro ny tanàna. Avy eo dia nidina ny taranak’i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany amin’ny tany be havoana sy tany amin’ny Negeva ary tany amin’ny Sefela. Dia nandeha i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany Hebrona, Kiriata-Arba no anarany taloha; dia namono an’i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay izy. Dia niala tao izy ka nandeha hiady tamin’ny mponina tany Debira izay nantsoina hoe Kiriata-Sefera taloha. Ary hoy i Kaleba: Izay manafika an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Aksa zanako vavy ho vadiny. Ary i Otniela, zanakalahin’i Kenaza, zandrin’i Kaleba, no nahazo azy ka nomeny azy ho vadiny i Aksa zanany vavy. Rehefa voampakatra Ravehivavy dia nampirisika ny lahy hangataka saha tamin’ny rainy. Dia niala haingana tamin’ny borikiny izy ka hoy i Kaleba taminy: Inona moa no ilainao? Hoy izy: Omeo marika tsodrano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen’i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. Ary ny taranak’ilay Kenita, rafozan’i Mosesy, dia niara-niakatra tamin’ny taranak’i Joda niala tao amin’ny Tanàna be palma hankany an-tany efitr’i Joda, any atsimon’i Arada; nandeha ireo ka nonina teo amin’ny vahoaka. Dia niaraka tamin’i Simeona rahalahiny i Joda ka namely ny Kananita izay nonina tany Zefata, ary nataony ringana toy ny zavatra voaozona ireo, ary ny anaran’ny tanàna nataony hoe Horma. Dia azon’i Joda i Gaza mbamin’ny faritra manodidina azy sy i Askelona mbamin’ny faritra manodidina azy ary i Ekrona mbamin’ny faritra manodidina azy. Ary NY TOMPO nomba an’i Joda ka azony ny havoana; nefa tsy naharoaka ireo mponina teny amin’ny tany lemaka izy satria nanana kalesy vy fitondra miady ireny. Ary i Hebrona dia nomena an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao ireo Anakita telo lahy. Ary ny taranak’i Benjamina dia tsy nandroaka ny Jebosita izay nonina tany Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ny taranak’i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany. Fa niakatra koa ny taranak’i Josefa mba hamely an’i Betela; ary NY TOMPO nomba azy. Naniraka olona hisafo tany an’i Betela ny taranak’i Josefa. Lozy ny anaran’ny tanàna taloha. Tamin’izay dia nahita lehilahy iray nivoaka avy tao an-tanàna ireo mpisafo tany ka nilaza taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna dia hamindra fo aminao izahay. Dia natoron-dRalehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna ka nasian’ireo tamin’ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa Ralehilahy sy ny ankohonany rehetra dia navelany handeha. Ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny Hetita Ralehilahy ka nanorina tanàna ary ny anarany nataony hoe Lozy; mbola izany ihany no anarany mandraka androany. I Manase dia tsy nahazo an’i Bety-Sana sy ireo vohitra miankina aminy na i Tanàka sy ireo vohitra miankina aminy, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ireo vohitra miankina aminy, na ny mponina tany Ibleama sy ireo vohitra miankina aminy na ny mponina tany Megido sy ireo vohitra miankina aminy; nikiry hitoetra tamin’ny tany ny Kananita. Fa rehefa niha nahery kosa ny Israely dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita fa tsy noroahiny tanteraka. Ary i Efraima dia tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera fa nonina teo anivony tany Gezera ny Kananita. I Zebolona dia tsy nandroaka ny mponina tany Kitirona na ny mponina tany Nahalola, fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana. I Asera dia tsy nandroaka ny mponina tany Ako na ny mponina tany Sidona na ny tany Alaba na ny tany Akziba na ny tany Helba na ny tany Afika na ny tany Rehoba; nonina teo anivon’ny Kananita tompon-tany ny taranak’i Asera fa tsy nandroaka azy izy ireo. I Naftaly dia tsy nandroaka ny mponina tany Bety-Semesy na ny mponina tany Bety-Anata, fa nonina teo anivon’ny Kananita tompon-tany izy, ary nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Bety-Semesy sy Bety-Anata. Ary ny Amorita dia nanesika ny taranak’i Dana ho any amin’ny havoana fa tsy namela azy hidina ho any amin’ny tany lemaka. Fa ny Amorita dia mbola nonina tany amin’ny tendrombohitra Heresa sy tany Aialona ary Salabima ihany; nefa nahery ny tanan’ny taranak’i Josefa ka nampanaovina fanompoana ireo. Ary ny faritanin’ny Amorita dia hatrany amin’ny fiakaran’i Akrabima ka hatrany amin’ilay harambato no ho mankany amboniny. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima ka niteny hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena azy, ka hoy Aho tamin’izany: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mihitsy Aho; koa aza manao fanekena amin’ireo mponina amin’ity tany ity ianareo fa ravao ny alitarany. Kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Koa inona moa izao nataonareo izao? Koa izao no lazaiko: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho fa ho eo anilanareo izy ary ny andriamaniny dia ho fandrika ho anareo. Nony niteny izany teny izany tamin’ny Zanak’Israely rehetra ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany. Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Bokima, ary namono zavatra teo izy mba hatao fanatitra ho an’NY TOMPO. Rehefa nampodìn’i Josoa ny vahoaka dia nandeha ho any amin’ny lovany avy ny Zanak’Israely rehetra mba handray ny tany. Nanompo NY TOMPO ny vahoaka tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa sy tamin’ny andro rehetra niainan’ireo loholona izay velona taorianan’i Josoa, dia ireo izay nahita ny asa lehibe rehetra nataon’NY TOMPO ho an’ny Israely. Ary maty i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’NY TOMPO, rehefa feno folo amby zato taona ny androny. Dia nalevina tao anatin’ny faritanin’ny lovany izy, tao Timnata-Heresa, any amin’ny tany be havoana any Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gaasy. Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ny razany, koa taranaka hafa izay tsy nahalala NY TOMPO na ny asa nataony ho an’ny Israely no nitsangana nandimby azy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Zanak’Israely satria nanompo ireo Baala ka nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; nanaraka andriamanitra hafa tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nahatezitra NY TOMPO. Eny, nahafoy NY TOMPO izy ka nanompo ny Baala sy ireo Astarta. Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy; tsy nahajanona teo anoloan’ireo fahavalony intsony izy. Na taiza na taiza no nivoahany hiady dia namely azy ny tanan’NY TOMPO ka nampahory azy, araka izay nolazain’NY TOMPO sy araka izay nianianany taminy. Koa ory indrindra izy. Ary NY TOMPO nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ny tanan’ireo namabo azy. Nefa na dia ireo mpitsara teo aminy aza dia tsy mba nohenoiny fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamanitra hafa izy ka niankohoka teo anatrehan’ireny; nalaky nivily niala tamin’ny lalana nandehanan’ireo razany izay nanaraka ny didin’NY TOMPO izy; tsy mba araka izany no nataony. Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy NY TOMPO dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ny tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’izany mpitsara izany; fa nalahelo azy NY TOMPO amin’ny fitarainany noho ny nataon’ireo mpampahory sy mpampijaly azy. Kanjo nony maty ilay mpitsara dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny nataon’ny razany indray izy, fa nanaraka andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo ary niankohoka teo anatrehany; tsy nitsahatra tamin’ny fanaony sy ny ditrany izy. Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Satria nivadika tamin’ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko, Izaho koa tsy handroaka intsony na dia iray aza amin’ireo firenena navelan’i Josoa tamin’ny nahafatesany mba hizahako toetra ny Israely amin’ny alalan’ireny, na hitandrina ny lalan’NY TOMPO izy ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany, na tsia. Dia navelan’NY TOMPO hijanona ireny firenena ireny fa tsy nalaky noroahiny sady tsy natolony rahateo teo an-tanan’i Josoa ireny. Ireto avy ireo firenena navelan’NY TOMPO hijanona, mba hizahany toetra ny Israely, dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana; izany dia mba ho fampahafantarana fotsiny ny Zanak’Israely amin’ny alalan’ny fahaiza-miady, indrindra fa ireo izay tsy mbola nahita izany teo aloha; ireo firenena ireo dia ny andriandahy Filistina dimy, ny Kananita rehetra, ny Sidoniana ary ny Hivita izay nonina tany amin’ny tendrombohitra any Libanona, hatrany akaikin’i Baala-Hermona ka hatrany amin’ny lalana mankany Hamata. Ireo dia noentina hizaha toetra ny Israely mba hahalalana na hihaino ny didin’NY TOMPO izay nasainy nandidian’i Mosesy ny razany, izy na tsia. Ary ny Zanak’Israely dia nonina teo amin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita. Ary naka ny zanakavavin’ireny ho vadiny izy sady nanome ny zanany vavy ho vadin’ny zanakalahin’ireny ka nanompo ireo andriamaniny. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka nanadino NY TOMPO Andriamaniny ary nanompo ireo Baala sy Aseraha. Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nivarotra azy ho eo an-tanan’i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Mezopotamia, Izy; dia nanompo an’i Kosana-Risataima nandritra ny valo taona ny Zanak’Israely. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely, ary NY TOMPO nanangana mpamonjy ho an’ny Zanak’Israely, izay nanafaka azy, dia i Otniela, zanakalahin’i Kenaza, zandrin’i Kaleba. Ary tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO dia tonga mpitsara teo amin’ny Israely izy ka nivoaka hiady. Ary i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Arama, dia natolotry NY TOMPO teo an-tanany ka nanampatra ny heriny tamin’i Kosana-Risataima izy. Dia nandry efapolo taona ny tany. Ary maty i Otniela, zanak’i Kenaza. Fa mbola nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ihany ny Zanak’Israely; ary NY TOMPO nampahery an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, hiady amin’ny Israely noho izy ireo nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO. Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma. Dia nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, nandritra ny valo amby folo taona ny Zanak’Israely. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka nanangana mpamonjy ho azy NY TOMPO, dia i Ehoda, zanak’i Gera, avy amin’ny taranak’i Benjamina, lehilahy kavia. Ary ny Zanak’Israely dia nampitondra azy fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba. Ary nanao sabatra roa lela i Ehoda, hakiho iray ny halavany, izay nataony tao amin’ny fehikibony ambanin’ny akanjo, teo amin’ny andilany havanana. Dia nitondra ilay fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, izy; ary i Eglona dia lehilahy natavy be. Rehefa vitany ny fanolorana ny fanomezana dia nasainy nandeha ireo olona nitondra izany. Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny. Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona. Nanainga ny tanany havia i Ehoda ary nandray ny sabatra teny amin’ny andilany havanana dia natsatony tamin’ny kibon’i Eglona ka difotra mbamin’ny zarany ary voasaron’ny tavin’i Eglona ny lelan-tsabatra ary tsy notsoahiny tamin’ny kibony; ary niboroaka tany amin’ny fitombenany izany. Dia nivoaka avy teo amin’ny lavarangana i Ehoda ka nandrindrina ireo varavaran’ilay efitrano ambony sady nohidiny. Rehefa tafavoaka izy dia tonga ireo mpanompon’i Eglona; ary hitan’ireo fa indro, voahidy ireo varavaran’ny efitrano ambony ka hoy ireo: Angamba mbola mivoaka ao amin’ny trano mangatsiatsiaka izy. Dia niandry izy ireo ka farany very hevitra; koa satria tsy namoha ihany ireo varavaran’ilay trano ambony i Eglona, dia nalain’ireo ny fanalahidy ka novohany, ary indro, efa maty niampatra tamin’ny tany ny tompony. Ary raha mbola nitaredretra izy ireo dia lasa nandositra i Ehoda ka efa nihoatra an’ireo sampy vato, dia nandositra ho any Seìrata. Raha vao tonga tany izy dia nitsoka anjomara tany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ny tany be havoana ny Zanak’Israely ka izy no nitarika azy. Hoy izy taminy: Manaraha ahy fa efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona ka azony ny fitàna any Jordana mankany Moaba ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. Naetrin’ny Israely ny Moabita tamin’izany andro izany. Dia nandry ny tany nandritra ny valopolo taona. Ary nanarakaraka azy i Samgara, zanak’i Anata, izay namely Filistina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby; izy koa dia nanafaka ny Israely. Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO indray ny Zanak’Israely rehefa maty i Ehoda. Koa NY TOMPO dia nivarotra azy ho eo an-tanan’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, izay nanjaka tany Hazora. Ny komandin’ny miaramilany dia i Sisera izay nonina tany Haroseta-Goima. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely satria nanana kalesy vy fitondra miady sivinjato i Jabina; nampahory fatratra ny Zanak’Israely nandritra ny roapolo taona izy. I Debora mpaminanivavy, vadin’i Lapidota, no mpitsara teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany. Ary nipetraka teo ambanin’ny hazo palman’i Debora izy, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany be havoana any Efraima; niakatra ho any aminy ny Zanak’Israely rehefa nisy raharaha hotsaraina. Ary i Debora dia nampiantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, avy any Kadesy-Naftaly, ka niteny taminy hoe: Tsy efa nandidy anao va NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitra Tabara ary mitondrà iray alin-dahy avy amin’ny taranak’i Naftaly sy i Zebolona hiaraka aminao? Hotarihiko ho eo aminao, eo amoron’ny ony Kisona, i Sisera, komandin’ny miaramilan’i Jabina mbamin’ny kalesy fitondrany miady sy ny vahoakany marobe; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho. Ary hoy i Baraka tamin’i Debora: Raha handeha hiaraka amiko ianao dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao dia tsy handeha aho. Hoy kosa izy: Handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’NY TOMPO an’i Sisera. Dia niainga i Debora ka nandeha niaraka tamin’i Baraka hankany Kadesy. Ary nantsoin’i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary niara-niakatra taminy i Debora. Ary i Hebera kenita dia efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, rafozan’i Mosesy; tonga hatrany akaikin’ny hazo terebinta ao Zananima izay eo anilan’i Kadesy, izy ka namelatra ny tranolainy tao. Ary nisy nilaza tamin’i Sisera fa i Baraka, zanak’i Abinoama, dia niakatra any amin’ny tendrombohitra Tabara. Dia nantsoin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy fitondra miady sivinjato sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Haroseta-Goima, hankany amin’ny ony Kisona. Ary hoy i Debora tamin’i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’NY TOMPO an’i Sisera ho eo an-tananao. Tsy mandeha eo anoloanao va NY TOMPO? Dia nidina avy tany amin’ny tendrombohitra Tabara i Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy. Dia nampifanaritahin’NY TOMPO tamin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baraka i Sisera sy ny kalesy fitondra miady rehetra ary ny miaramila rehetra. Ary nidina niala tamin’ny kalesy i Sisera ka nandositra nandeha an-tongotra. Ary i Baraka dia nanenjika ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta-Goima; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza. Ary i Sisera dia nandositra an-tongotra ho any amin’ny tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera kenita; nihavana mantsy i Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera kenita. Dia nivoaka hitsena an’i Sisera i Jaela ka niteny taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra! Ary rehefa niakatra ho ao aminy tao an-day izy dia norakofany lamba firakotra. Ary hoy i Sisera taminy: Miangavy anao aho, mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; dia norakofany indray izy. Hoy indray izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ny tranolay ka raha toa ka misy avy ary manontany anao hoe: Misy olona va ato? Dia ataovy hoe: Tsia. Dia naka tsatòkan-day i Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tanany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsatòkan-day ka nihatra tamin’ny tany; fa renoky ny torimaso noho ny hasasarana i Sisera dia maty. Ary indro, avy i Baraka nanenjika an’i Sisera, dia nivoaka hitsena azy i Jaela ka niteny taminy hoe: Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, niampatra teo ny fatin’i Sisera, ary teo amin’ny fihirifany ny tsatòkan-day. Naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ny Zanak’Israely i Jabina, mpanjakan’i Kanana, tamin’izany andro izany. Ary nampitomboin’ny Zanak’Israely hatrany hatrany ny famoretany an’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, mandra-pandringany azy. Tamin’izany andro izany dia nihira i Debora sy i Baraka, zanak’i Abinoama hoe: Noho ny fanokanan-tena tanteraka teo amin’ny Israely sy ny fanoloran-tena an-tsitrapo nataon’ny vahoaka dia miderà NY TOMPO! Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka! Atongilano ny sofinareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an’NY TOMPO; hihira ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, aho. TOMPO ô, fony Ianao nivoaka avy tany Seìra ary nandeha avy tany amin’ny tany Edoma dia nihorohoro ny tany ary ny lanitra koa nitete; eny, ny rahona matevina dia nitete rano. Ny tendrombohitra dia nikorian-drano teo anatrehan’NY TOMPO. Eny, irỳ Sinay irỳ, teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Tamin’ny andron’i Samgara, zanak’i Anata sy tamin’ny andron’i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ny mpandeha. Tsy nisy mpanapaka intsony teo amin’ny Israely; eny, nitsahatra izany, mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely. Nifidy andriamanitra vaovao ny olona ka tamin’izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nahitana ampinga na lefona na dia iray akory aza va teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Israely? Ny foko dia mankasitraka ireo mpitari-tafika eo amin’ny Israely izay nanolo-tena an-tsitrapo teo amin’ny vahoaka. Miderà NY TOMPO ianareo! Ianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ny karipetra ary ianareo izay mandeha amin’ny lalambe koa, samia milaza! Ny feon’ireo mpantsaka rano dia eny amin’ny fampisotroan-drano; any no ankalazana ireo asa marina nataon’NY TOMPO, dia ireo asam-pahamarinana nataony tamin’ny tanin’ny Israely. Tamin’izany dia nidina ho any am-bavahady ny olon’NY TOMPO. Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza ka mihirà! Mitsangàna, ry Baraka! Ento ny babonao, ry zanakalahin’i Abinoama! Tamin’izany dia nidina izay sisa tavela nankany amin’ireo mahery fo; ny vahoakan’NY TOMPO dia nidina homba ahy koa niaraka tamin’ireo mpiady mahery. Ny avy amin’i Efraima dia any amin’i Amaleka ny fotony. Ao aoriananao, dia i Benjamina no nomba ireo olonao. Avy tany Makira no nidinan’ireo mpitari-tafika ary avy tamin’i Zebolona ireo mitana ny tehin’ny mpanoratra. Ireo manamboninahitr’Isakara dia niaraka tamin’i Debora. I Baraka dia sahala amin’Isakara, nanezaka an-tongotra nanaraka azy tany an-dohasaha. Tsy nisy farany ny adihevitra teo amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! I Gileada dia nijanona tany andafin’i Jordana. Ary nahoana i Dana no nitoetra teny amin’ny sambo? I Asera dia nipetraka tany amoron-dranomasina, teny amin’ny fitodian-tsambo no nonenany. I Zebolona dia firenena nanao vy very ny ainy hatramin’ny fahafatesana, toy izany koa i Naftaly, teny amin’ny havoana tamin’ny tany. Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady ireo mpanjakan’i Kanana, tany Tanàka, teo anilan’ny ranon’i Megido nefa tsy nisy volafotsy azony ho babo. Avy teny amin’ny lanitra no niady ny kintana. Avy teny amin’ny lalany no niadiany tamin’i Sisera. Ny ony Kisona no nipaoka ireo mpanjaka, ilay ony ela, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko! Tamin’izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny firimorimony, dia ny firimorimon’ny maheriny. Ozòny i Meroza, hoy ilay Anjelin’NY TOMPO, ozòny tanteraka ny mponina ao! Satria tsy mba tonga nanampy NY TOMPO izy, eny, tsy nanampy NY TOMPO niaraka tamin’ireo mpiady mahery. Hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie i Jaela, vadin’i Hebera kenita! Eny, hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie izy! Rano no nangatahin-dRalehilahy dia ronono no nomeny azy; teo an-dovian’olona ambony no nitondrany ronono mandry. Nandray ny tsatòkan-day ny tanany, ny tanany havanana no nandray ny tantanan’ny mpiasa, dia namely an’i Sisera tamin’ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; nahapotika sy nahaboroaka ny fihirifany izy. Teo an-tongo-dRavehivavy izy no nitolefika, lavo, niampatra; eny, teo an-tongony izy no nitolefika, lavo; teo amin’izay nampitolefika azy no niamparan’ny fatiny. Teo am-baravarankely no nitsirihan’ny renin’i Sisera ka niantsoantsoany mafy; eny, niantso teo amin’ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesy fitondrany miady vao tonga? Nahoana no mitaredratra ny kodiaran’ny kalesiny? Izay hendry indrindra tamin’ireo vehivavy manankaja teo aminy, eny, izy tenany aza, dia niteny hoe: Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko. Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, ry TOMPO ô! Fa izay tia Azy kosa, aoka ho tahaka ny masoandro miposaka amin’ny heriny. Dia nandry ny tany nandritra efapolo taona. Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka natolotry NY TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona. Nanampatra ny heriny tamin’ny Israely ny Midianita ka ny tahotra ny Midianita no nanamboaran’ny Zanak’Israely fierena tany an-tendrombohitra sy zohy ary toeram-pialofana. Rehefa namafy ny Israely dia niakatra hanafika azy ny Midianita sy ny Amalekita ary ireo zanaky ny Atsinanana. Nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany, hatrany akaikin’i Gaza; tsy nisy zavatra navelany mba hiveloman’ny Israely, na ondry na osy na omby na boriky. Rehefa nanafika izy ireny dia nitondra ny omby aman’ondriny sy ny tranolainy niaraka taminy ka ny fiaviny dia tahaka ny valala maro be; eny, tsy hita isa izy ireny sy ny ramevany; niditra tao amin’ny tany ireny mba handrava azy. Dia nahantra indrindra ny Israely noho ny Midianita ka nitaraina tamin’NY TOMPO. Ary rehefa nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely noho ny Midianita dia nirahin’NY TOMPO ho any amin’ny Zanak’Israely ny mpaminany iray izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta, sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny trano nanandevozana ary nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptiana sy ny tanan’izay rehetra nampahory anareo. Nandroaka ireny teo anoloanareo Aho ka nomeko anareo ny taniny. Hoy Aho taminareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita izay tompon’ny tany onenanareo. Nefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Dia tonga ilay Anjelin’NY TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’i Joasy Abiezerita. Tamin’izay i Gideona zanany dia nively vary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba hanafenany azy tamin’ny Midianita. Ary niseho taminy ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny taminy hoe: NY TOMPO no momba anao, ry lehilahy mpiady mahery! Fa hoy i Gideona taminy: Indrisy tompoko, raha momba anay NY TOMPO, nahoana no mihatra aminay izao zavatra rehetra izao? Aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay notantarain’ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta va NY TOMPO? Fa ankehitriny, efa nahafoy anay mihitsy NY TOMPO ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita. Dia nitodika nijery azy NY TOMPO ka niteny hoe: Mandehana amin’izao herinao izao ka vonjeo amin’ny tanan’ny Midianita ny Israely. Tsy efa naniraka anao va Aho? Fa hoy i Gideona Taminy: Indrisy, Tompo ô, amin’ny alalan’ny inona no hanafahako ny Israely? E! ny ankohonako no kely hery indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko! Dia hoy NY TOMPO taminy: Homba anao tokoa Aho ka hamely ny Midianita toy ny famely olona iray monja ianao. Dia hoy izy Taminy: Miangavy Anao aho, raha mahita fitia eto imasonao, mba anehoy famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao. Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy. Ary hoy ilay Anjelin’Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin’irỳ harambato irỳ, ary araraho eo amboniny ny ron-kena. Dia nataony izany. Ary naroson’ilay Anjelin’NY TOMPO ny lohan’ny tehina izay teny an-tanany ka notendreny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Dia lasa ilay Anjelin’NY TOMPO ka tsy hitan’ny masony. Dia hitan’i Gideona fa Anjelin’NY TOMPO ilay teo ka hoy izy: Andray, ry TOMPO Andriamanitra ô! Hay, nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nifanatrika aho! Fa hoy NY TOMPO taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. Ary nanorina alitara teo ho an’NY TOMPO i Gideona, ary ny anarany dia nataony hoe Adonay-Shalom, na: NY TOMPO dia fiadanana. Mbola ao Ofran’ilay Abiezerita izany mandraka androany. Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay eo anilany. Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao. Dia naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Gideona ka nanatanteraka araka izay nolazain’NY TOMPO taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ireo lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin’ny antoandro, fa tamin’ny alina no nanaovany azy. Nony nifoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna ka nahita fa indro, potika ny alitaran’ny Baala sady voakapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa natao fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara izay voaorina, dia nifanontany izy ireo hoe: Iza re no nanao izao zavatra izao? Ary rehefa nikaroka sy nanadihady izy ireo dia nilaza hoe: I Gideona, zanak’i Joasy, no nanao izao zavatra izao! Dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina satria nandrava ny alitaran’ny Baala izy sady nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teo anilany! Hoy i Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Ianareo va no handahatra hiaro ny Baala? Ianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra hiaro ny Baala dia hovonoina alohan’ny andro maraina! Raha andriamanitra ny Baala, aoka izy handahatra hiaro ny tenany, satria nisy nandrava ny alitarany! Tamin’izany andro izany, ny anaran’i Gideona dia natao hoe Jerobaala, satria hoy ny olona: Aoka ny Baala no hifandahatra aminy satria noravany ny alitarany. Ary nivory ny Midianita rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana, dia nita ka nitoby teny amin’ny tany lemaka Jezirela. Ary notafina ny Fanahin’NY TOMPO i Gideona; dia nitsoka anjomara izy ka nivory nanaraka azy ny Abiezerita. Naniraka olona nankany amin’ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo. Naniraka olona tany amin’ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy dia niakatra nitsena azy koa ireo. Ary hoy i Gideona tamin’Andriamanitra: Raha hamonjy ny Israely amin’ny tanako tokoa Ianao araka izay nolazainao, indro, hapetrako eo amin’ny famoloana ity faham-bolon’ondry iray ity; koa raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando fa maina kosa ny tany manontolo dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Israely araka izay nolazainao. Dia nisy tokoa izany. Nifoha vao maraina izy dia nofiazany ny volon’ondry ka nisy ranonando nikoriana avy taminy ary nahafeno lovia iray. Hoy ihany i Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho. Aoka mba hozahako izao indray mandeha izao monja ny amin’ny volon’ondry: Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina fa ny tany manontolo kosa no ho lenan’ny ando. Dia nataon’Andriamanitra izany tamin’ny alin’iny, koa ny volon’ondry ihany no maina fa ny tany manontolo kosa dia lenan’ny ando. Dia nifoha vao maraina i Jerobaala na i Gideona, sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin’ny loharano Haroda. Ny tobin’ny Midianita kosa dia teo avaratra, teo amin’ny lohasaha anilan’ny havoana More. Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Maro loatra ny olona miaraka aminao ka tsy hanolotra ny Midianita eo an-tanany Aho, fandrao haka ny voninahitro ny Israely ka hiteny hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. Koa ankehitriny, andeha miantso eo anatrehan’ny vahoaka hoe: Izay matahotra na mangovitra dia aoka hiverina ka hiala tamin’ny tany be havoana any Gileada! Dia lasa niverina ny olona roa arivo sy roa alina fa ny iray alina no sisa. Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Mbola maro loatra ihany ny olona. Ampidino ho eo amin’ny rano izy ka eo no hizahako toetra azy ho anao; izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka handeha aminao, dia izy no handeha hiaraka aminao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy handeha. Dia nampidinin’i Gideona ho eo amin’ny rano ny olona. Hoy NY TOMPO taminy: Izay rehetra milelaka rano amin’ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika mba hisotro dia atokàny koa. Telonjato lahy no isan’izay nanainga ny tanany tany amin’ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika mba hisotro rano. Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Ny telonjato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ny olona sisa rehetra kosa, aoka samy hody any amin’ny fonenany avy! Dia noraisin’ireo an-tanana ny vatsy izay teo amin’ny olona, mbamin’ny anjomarany. Ary ny Israely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ny tranolainy avy, fa ny telonjato lahy ihany no nohazoniny. Ary ny tobin’ny Midianita dia teo ambaniny, teo an-dohasaha. Tamin’izany alina izany dia hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Mitsangàna, midìna ho any amin’ny toby fa efa natolotro eo an-tananao io. Fa raha matahotra hidina ianao dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin’ny toby i Pora zatovonao. Ho renao izay lazain’ny olona, ary aorianan’izany dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ny toby. Dia nidina niaraka tamin’i Pora zatovony izy ho any amin’ny sisin-daharan’ny mpiady izay teo amin’ny toby. Ary ny Midianita sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana rehetra dia nirohotra teny an-dohasaha ka tahaka ny valala ny hamarony; tsy hita isa ny ramevany ary tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony. Rehefa tonga tao i Gideona, indro, nisy lehilahy nitantara nofy tamin’ny namany ka niteny hoe: Nanonofy aho ka indro, nisy silaka mofo varimbazaha hono nikodiadia ho eo amin’ny tobin’ny Midianita ka nankeo amin’ny tranolay iray, dia nandona azy ka nampivadika azy ambony ambany ary nianjera ny tranolay. Dia namaly ilay namany hoe: Tsy zavatra hafa izany fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Israelita, mihitsy; efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany ny Midianita sy ny toby manontolo! Rehefa ren’i Gideona ny filazany ny nofy sy ny heviny dia niankohoka nivavaka izy. Avy eo izy dia niverina ho any amin’ny tobin’ny Israely ka nilaza hoe: Mitsangàna! Efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny tobin’ny Midianita! Dia nozarainy telo toko ny telonjato lahy ka samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tanany sy siny tsy nisy rano ary fanilo tao anatin’ny siny. Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa. Rehefa mitsoka ny anjomara aho sy izay miaraka amiko dia mitsofa anjomara manodidina ny toby manontolo koa ianareo ka miantsoa hoe: Ho an’NY TOMPO sy ho an’i Gideona! Dia nankany amin’ny sisin’ny toby tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana faharoa i Gideona sy ny zato lahy niaraka taminy raha vao nanomboka ny fotoam-piambenana amin’ny misasakalina; dia nitsoka anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany. Dia nitsoka anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy ka nihazona ny fanilo teny an-tanany havia ary ny anjomara teny an-tanany havanana mba hotsofiny; dia niantso izy hoe: Ny sabatry NY TOMPO sy i Gideona! Ary samy nijoro teo amin’ny toerany avy, manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka niantsoantso sady nandositra. Dia nitsoka anjomara ny telonjato lahy ary nampifamelezin’NY TOMPO tamin’ny sabatra ny miaramila rehetra manerana ny toby, dia nandositra hatrany Bety-Sita izy ka hatrany Zereraha sy hatrany amin’ny sisin’i Abela-Mehola akaiky an’i Tabata. Dia nivory ny lehilahin’ny Israely avy tamin’ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midianita. Ary naniraka olona hitety ny tany be havoana any Efraima rehetra i Gideona mba hilaza hoe: Midìna hisakana ny Midianita ka baboy ny toerana misy rano eo alohany, hatrany Bety-Bara sy i Jordana. Dia nivory ny lehilahin’i Efraima rehetra ka namabo ny toerana misy rano hatrany Bety-Bara sy i Jordana. Nosamborin’izy ireo ny andriana midianita roa lahy, dia i Oreba sy i Zeba ka i Oreba dia novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba ary i Zeba dia novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nenjehin’ireo ny Midianita ary ny lohan’i Oreba sy i Zeba dia noentiny tany amin’i Gideona tany andafin’i Jordana. Ary hoy ny lehilahin’i Efraima tamin’i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao no tsy mba nantsoinao izahay raha nandeha hiady tamin’ny Midianita ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo. Hoy i Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao raha oharina amin’izay nataonareo? Tsy tsara noho ny fiotazam-boalobok’i Abiezera va ny fitsimponam-boalobok’i Efraima? Teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra ny manamboninahitry ny Midianita, dia i Oreba sy i Zeba. Inona no azoko atao raha oharina amin’ny nataonareo? Rehefa nilaza izany teny izany i Gideona dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy. Ary nankany Jordana i Gideona dia nita izy sy ny telonjato lahy niaraka taminy, koa na dia efa reraka aza izy dia mbola nanenjika ihany. Dia hoy izy tamin’ny mponina tao Sokota: Miangavy anareo aho, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy fa reraka. Izaho izao dia manenjika an’i Zebaha sy i Zalmona, mpanjakan’ny Midianita. Nefa hoy ireo manamboninahitr’i Sokota: Moa efa eo am-pelatananao va i Zebaha sy i Zalmona ankehitriny no homenay mofo ny miaramilanao? Dia hoy i Gideona: Rehefa voatolotry NY TOMPO eo an-tanako i Zebaha sy i Zalmona dia horotidrotehiko amin’ny tsilo avy any an-tany efitra sy ny songosongo ny tenanareo. Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela dia nanao teny tahaka izany koa tamin’ny olona tao. Ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin’ny mponina tao Sokota ihany. Dia niteny tamin’ny mponina tao Penoela koa izy hoe: Raha tafaverina soa amantsara aho dia horavako ity manda avo ity. Ary i Zebaha sy i Zalmona dia tonga tao Karkora, niaraka tamin’ny miaramila tokony ho lehilahy dimy arivo sy iray alina, dia izay rehetra sisa tavela tamin’ny miaramila rehetra izay an’ny zanaky ny Atsinanana; ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa. Ary i Gideona dia niakatra tamin’ny lalan’ny mpitoetra an-tranolay, any atsinanan’i Noba sy i Jogbeha ka namely ny toby raha ilay mbola tsy nanampo iny ny olona. Dia nandositra i Zebaha sy i Zalmona ary nanenjika azy i Gideona ka nisambotra ny mpanjaka midianita roa lahy, dia i Zebaha sy i Zalmona, ary nopotehiny ny tafika manontolo. Dia niverina avy tamin’ny ady, avy teo amin’ny fiakaran’i Heresa i Gideona, zanak’i Joasy. Nisambotra zatovo iray tamin’ny mponina tao Sokota izy ka nanadihady azy; dia nosoratan’ilay zatovo ny anaran’ireo olo-manankajan’i Sokota sy ny loholona tao izay nisy fito amby fitopolo lahy. Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokota i Gideona ka niteny hoe: Indreo i Zebaha sy i Zalmona izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa eo am-pelatananao ankehitriny va ny tanan’i Zebaha sy i Zalmona no homenay mofo ny olonao efa reraka? Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-tany efitra sy songosongo ka ireny no noentiny nandrotidrotehana ny mponina tao Sokota. Nandrava ny manda avo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna. Dia hoy izy tamin’i Zebaha sy i Zalmona: Lehilahy toy inona ange ireo izay novonoinareo tany Tabara? Hoy izy roa lahy: Tahaka anao izao izy. Izy rehetra dia samy miendrika zanaka mpanjaka avokoa. Hoy i Gideona: Rahalahiko, zanaky ny reniko, ireo. Raha velona koa NY TOMPO, tsy mba hovonoiko ianareo raha novelominareo ireo! Dia hoy izy tamin’i Jetera lahimatoany: Mitsangàna, vonoy izy roa lahy! Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo fa natahotra: Mbola tanora fanahy loatra izy. Hoy i Zebaha sy i Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay! Fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana i Gideona ka namono an’i Zebaha sy i Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana izay teo amin’ny vozon’ny ramevany. Hoy ny lehilahin’ny Israely tamin’i Gideona: Aoka ianao sy ny zanakao ary ny zafinao no hanapaka aminay fa namonjy anay tamin’ny tanan’ny Midianita ianao. Fa hoy i Gideona taminy: Tsy hanapaka aminareo aho, ary tsy hanapaka aminareo koa ny zanako; NY TOMPO ihany no hanapaka aminareo. Ary mbola niteny taminy koa i Gideona hoe: Hangataka zavatra iray aminareo aho: Aoka samy hanome ahy kavina avy amin’ny babony avy ianareo. Nanana kavina volamena mantsy ireny satria Ismaelita. Dia hoy izy ireo: Eny, homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona ka samy nanipy kavina izay avy tamin’ny babony teo. Ny lanjan’ny kavina volamena nangatahiny dia volamena fitonjato sy arivo sekela, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ny kavina voavola ary ny lamba volomparasy izay teny amin’ireo mpanjakan’ny Midianita, ary koa ny ravaka izay teny amin’ny vozon’ny ramevany. Dia nanaovan’i Gideona efoda ireo ka nataony tao an-tanànany, tao Ofra; ary ny Israely rehetra dia nankany ka nijangajanga nanaraka izany efoda izany; tonga fandrika tamin’i Gideona sy ny ankohonany izany. Voaetry teo anoloan’ny Zanak’Israely ny Midianita ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Nandry nandritra ny efapolo taona ny tany tamin’ny andron’i Gideona. Lasa nandeha i Jerobaala, zanak’i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. Nanan-janaka fitopolo lahy izay naterany i Gideona, satria maro ny vadiny. Ny vady tsindranony izay tany Sekema dia niteraka zazalahy iray taminy koa, ary ny anarany dia nataony hoe Abimeleka. Dia maty i Gideona, zanak’i Joasy, rehefa tratra antitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezerita. Rehefa maty i Gideona dia nijangajanga nanaraka ireo Baala indray ny Zanak’Israely ka nanao an’i Baala-Berita ho andriamaniny. Ary ny Zanak’Israely dia tsy nahatsiaro NY TOMPO Andriamaniny izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy sady tsy mba nanao soa tamin’ny taranak’i Jerobaala na Gideona, araka ny soa rehetra nataon’i Gideona tamin’ny Israely. Ary nandeha nankany Sekema tany amin’ny anadahin-dreniny i Abimeleka, zanak’i Jerobaala ka niresaka taminy sy tamin’ny fianakavian-dreniny rehetra hoe: Mba mitenena ianareo amin’ireo lehibe rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: Ny hiarahan’izy fitopolo lahy zanak’i Jerobaala hanapaka anareo va, sa ny hanapahan’ny lehilahy iray anareo? Tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho! Ary nilaza ny momba azy teo anatrehan’ireo lehibe rehetra tao Sekema ireo anadahin-dreniny ka nitondra izany teny rehetra izany, dia nirona tamin’i Abimeleka ny fony, fa hoy izy ireo: Rahalahintsika izy. Dia nomeny volafotsy fitopolo sekela avy tao an-tranon’i Baala-Berita izy, ary nanambazan’i Abimeleka olom-poana sy maditra maromaro hanaraka azy izany volafotsy izany. Dia nankany an-tranon’ny rainy tany Ofra izy ka namono ireo rahalahiny fitopolo lahy, zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray. I Jotama, faralahin’i Jerobaala, no sisa velona satria niery izy. Dia nivory ny lehibe rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an’i Abimeleka teo anilan’ny hazo terebinta, akaikin’ny tsangambato any Sekema. Ary nisy nilaza izany tamin’i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Gerizima ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa ahy, ianareo lehibe ao Sekema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo kosa! Niainga, hono, ny hazo maniry, mba hanosotra mpanjaka hanjaka aminy ka hoy izy ireo tamin’ny hazo oliva: Manjakà aminay ianao! Fa hoy ny hazo oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko izay ankalazan’ireny andriamanitra sy ny olona ireny ahy ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho? Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay! Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho? Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny voaloboka: Avia ianao ka manjakà aminay! Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko izay mahafaly ireo andriamanitra sy ny olona ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho? Ary hoy ny hazo maniry rehetra tamin’ny tsilo: Avia ianao ka manjakà aminay! Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo maniry: Raha hosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka handevona ny sederan’i Libanona! Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin’ny nampanjakanareo an’i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin’i Jerobaala sy ny taranany ka novalìnareo araka izay nataon’ny tanany izy, fa ny raiko anie no niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Midianita, nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy; koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka ianareo, ary aoka hifaly aminareo kosa izy! Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin’i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin’ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an’i Abimeleka! Dia riatra nandositra i Jotama ka nankany Bera ary nitoetra tao mba hiery an’i Abimeleka rahalahiny. Nitondra ny Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka. Ary Andriamanitra naniraka fanahy ratsy nampisara-tsaina an’i Abimeleka sy ireo lehibe tao Sekema ka nivadika tamin’i Abimeleka ireo lehibe tao Sekema, mba hitsingerenan’ny loza natao tamin’ny zanak’i Jerobaala fitopolo lahy ka hanody an’i Abimeleka rahalahiny ny rany tamin’ny namonoany azy, sy hanody an’ireo lehibe tao Sekema izay nanainga ny tanany hamono ny rahalahiny. Nametrahan’ny mponina tao Sekema vela-pandrika tany an-tampon-tendrombohitra izy dia nobaboin’ny vela-pandrika izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany. Nambara tamin’i Abimeleka izany. Dia tonga tao i Gala, zanak’i Ebeda, sy ny rahalahiny, ka nankany Sekema, ary natoky azy ny mponina tao Sekema. Nivoaka ho any an-tsaha izy ireo ka nioty ny voalobony dia nanosihosy azy sady nikorana; avy eo ireo dia niditra tao amin’ny tempolin’ny andriamaniny ary nihinana sy nisotro sady nanozona an’i Abimeleka. Hoy i Gala, zanak’i Ebeda: Iza moa i Abimeleka, ary iza moa i Sekema, no hanompo an’i Abimeleka isika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy io? Ary tsy i Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’i Hamora, rain’i Sekema ianareo; fa nahoana isika no hanompo an’i Abimeleka? Enga anie ka ho eo ambanin’ny fahefako ireto olona ireto, dia hesoriko i Abimeleka! Dia hoy izy tamin’i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha hiady! Rehefa ren’i Zebola, governoran’ny tanàna, ny tenin’i Gala, zanak’i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany. Nandefa iraka mangingina ho any amin’i Abimeleka izy hilaza hoe: Indro, tonga ato Sekema i Gala, zanak’i Ebeda, sy ny rahalahiny; ary indro, manainga ny ato an-tanàna hikomy aminao izy. Koa ankehitriny, miaingà amin’ny alina ianao sy ny vahoaka miaraka aminao ka manaova vela-pandrika any an-tsaha. Ary amin’ny maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza ka miroata hamely ny tanàna. Rehefa mivoaka hiady aminao i Gala sy ny vahoaka miaraka aminy dia ataovy izay hanaovanao azy. Dia niainga tamin’ny alina i Abimeleka sy ny vahoaka rehetra niaraka taminy ka nanao vela-pandrika efa-toko tandrifin’i Sekema. Dia nivoaka ny tanàna i Gala, zanak’i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; dia niroatra avy tao amin’ny vela-pandrika i Abimeleka sy ny vahoaka izay niaraka taminy. Rehefa hitan’i Gala ny olona dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Hoy i Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka heverinao ho olona. Dia mbola niteny indray i Gala hoe: Indreo, misy olona midina avy ao afovoan’ny tany ary indreo, misy antokony hafa mandeha amin’ny lalana eo amin’ny hazo terebintan’ny mpimasy. Dia hoy i Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa i Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy! Dia niainga i Gala ka nitarika ny mponina tao Sekema ary niady tamin’i Abimeleka. Dia nanenjika azy i Abimeleka ka nandositra teo anoloany izy ary maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan’ny vavahady aza. Ary i Abimeleka dia nonina tany Aroma. Ary nandroaka an’i Gala sy ny rahalahiny i Zebola mba tsy honina any Sekema intsony ireo. Nony ampitson’iny dia nivoaka ny tanàna ho any an-tsaha ny olona ary nisy nanambara izany tamin’i Abimeleka. Dia naka ny olony izy ka nizara azy ho telo toko ary nanao vela-pandrika tany an-tsaha. Rehefa hitany fa indreo, nivoaka avy tao an-tanàna ny olona, dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy. Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny roa toko hafa kosa dia nirohotra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. Ary namely ny tanàna mandritra izany andro izany i Abimeleka dia nahazo azy ka namono ny olona tao. Noravany ny tanàna sady nofafazany sira. Nony nandre izany ireo lehibe rehetra tao Migdala-Sekema dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Ely-Berita. Ary nisy nilaza tamin’i Abimeleka fa tafangona tao Migdala-Sekema ireo lehibe rehetra. Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo. Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an’i Abimeleka; napetrany teo amin’ilay efitrano fierena izany ary nodorany tamin’ny afo. Koa maty ny olona rehetra tao Migdala-Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo ny isany. Dia nandeha nankany Tebeza i Abimeleka, ary nitoby tandrifin’i Tebeza ka nahazo azy. Fa nisy manda avo sady mafy teo afovoan’ny tanàna; nandositra tao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ireo lehibe rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao ary niakatra teo an-tampon’ny manda avo. Tonga teo amin’ilay manda avo i Abimeleka ka namely azy, ary nanatona ny varavaran’ny manda avo izy mba handoro azy amin’ny afo. Fa nisy vehivavy iray nanjera vato fikosoham-bary tamin’ny lohan’i Abimeleka ka nahavaky ny karandohany. Dia nantsoin’i Abimeleka haingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao ka vonoy aho mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo ka maty izy. Rehefa hitan’ny lehilahin’ny Israely fa maty i Abimeleka dia samy lasa nandeha ho any amin’ny fonenany avy izy. Izany no namalian’Andriamanitra ny ratsy nataon’i Abimeleka, izay nataony tamin’ny rainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy. Ny ratsy rehetra nataon’ny mponina tao Sekema dia natsingerin’Andriamanitra tamin’ireo lehibeny avokoa ka nihatra taminy ilay ozona nataon’i Jotama, zanak’i Jerobaala. Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima. Nitsara ny Israely nandritra ny telo amby roapolo taona izy dia maty ka nalevina tao Samira. Nitsangana nandimby azy i Jaira gileadita ka nitsara ny Israely nandritra ny roa amby roapolo taona. Nanana zanakalahy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora telopolo izy sady nanana tanàna telopolo any amin’ny tany Gileada; antsoina hoe Havota-Jaìra ireny mandraka androany. Dia maty i Jaira ka nalevina tany Kamona. Ary ny Zanak’Israely dia nanao izay ratsy ihany teo imason’NY TOMPO ka nanompo ireo Baala sy ireo Astarta, ireo andriamanitr’i Siria, ireo andriamanitr’i Sidona, ireo andriamanitr’i Moaba, ireo andriamanitry ny Amonita ary ireo andriamanitry ny Filistina. Nahafoy NY TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony. Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nivarotra azy ho eo an-tanan’ny Filistina sy ho eo an-tanan’ny Amonita Izy. Namoritra sy nanao tsindry hazo lena ny Zanak’Israely ireo tamin’izany taona izany; valo amby folo taona no nampahoriany ny Zanak’Israely rehetra izay tany andafin’i Jordana, tany amin’ny tanin’ny Amorita any Gileada. Nita ny Jordana ny Amonita mba hiady amin’i Joda sy i Benjamina koa ary ny taranak’i Efraima ka tra-pahoriana mafy ny Israely. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely hoe: Efa nanota Taminao izahay, satria nahafoy an’Andriamanitray ka nanompo ireo Baala. Hoy NY TOMPO tamin’ny Zanak’Israely: Moa tsy nampahory anareo va ny Ejiptiana, ny Amorita, ny Amonita, ny Filistina, ny Sidoniana, ny Amalekita ary ny Maonita ka nitaraina Tamiko ianareo dia novonjeko tamin’ny tanany? Nefa nahafoy Ahy ianareo ka nanompo andriamanitra hafa. Koa izany no tsy hamonjeko anareo intsony. Mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra izay nofidinareo! Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahorianareo! Ary hoy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao. Kanefa mba afaho ihany izahay anio! Dia nanary ireo andriamanitra hafa tao aminy izy ka nanompo NY TOMPO; tsy nahazaka nijery ny fijalian’ny Israely intsony NY TOMPO. Nivory ny Amonita ka nitoby tany Gileada. Nivory kosa ny Zanak’Israely ka nitoby tany Mizpa. Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’i Gileada hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ny Amonita? Ho lohany amin’ny mponina rehetra any Gileada izy! I Jefta gileadita dia lehilahy mahery; zanaky ny vehivavy janga izy, ary i Gileada no rainy niteraka azy. Ny vadin’i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy. Nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo dia nandroaka an’i Jefta ka niteny taminy hoe: Tsy handova eto amin’ny taranaky ny rainay ianao fa zanaky ny vehivavy hafa. Nandositra ny rahalahiny i Jefta ka nonina tany amin’ny tany Toba; dia nisy olom-poana maromaro nanara-dia an’i Jefta ka niara-nanafika taminy. Nony afaka elaela dia nanafika ny Zanak’Israely ny Amonita. Rehefa nanafika ny Israely ny Amonita dia nandeha ny loholon’i Gileada haka an’i Jefta avy tany amin’ny tany Toba. Hoy izy ireo taminy: Avia, aoka ianao no ho mpitarika anay mba hiadiantsika amin’ny Amonita. Fa hoy i Jefta tamin’ireo loholon’i Gileada: Tsy ianareo va no nankahala ahy ka nandroaka ahy hiala tao amin’ny tranon’ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny rehefa azom-pahoriana? Dia hoy ireo loholon’i Gileada tamin’i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, ka hiadianao amin’ny Amonita, dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao. Dia hoy i Jefta tamin’ny loholon’i Gileada: Raha hoentinareo mody indray aho mba hiady amin’ny Amonita ka hatolotry NY TOMPO eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo? Dia hoy ireo loholon’i Gileada tamin’i Jefta: NY TOMPO no ho vavolombelona amintsika raha tsy manatanteraka araka izany teninao izany izahay. Dia nandeha i Jefta niaraka tamin’ireo loholon’i Gileada ka nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy. Ary nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’NY TOMPO tao Mizpa i Jefta. Dia nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny Amonita i Jefta hilaza hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao no tonga atỳ amiko hiady amin’ny taniko ianao? Hoy ny mpanjakan’ny Amonita tamin’ireo irak’i Jefta: Satria nalain’Israely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony izy niakatra avy tany Ejipta. Koa avereno amin’ny fihavanana ary izany ankehitriny. Dia nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny Amonita indray i Jefta hilaza hoe: Izao no lazain’i Jefta: Ny Israely dia tsy naka ny tanin’i Moaba na ny tanin’ny Amonita. Fa fony niakatra avy tany Ejipta ny Israely dia nandeha nitety ny efitra hatrany amin’ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy. Dia nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma ny Israely hiteny hoe: Aoka mba handeha hamakivaky ny taninao aho. Tsy nety nihaino izany anefa ny mpanjakan’i Edoma. Ary nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba koa izy fa tsy nety koa io. Dia nitoetra tany Kadesy ny Israely. Dia nandeha nitety ny tany efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’i Moaba ka nitoby teo andafin’i Arnona, satria tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Moaba izy; fa i Arnona no sisintanin’i Moaba. Ary ny Israely dia nandefa iraka tany amin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay mpanjakan’i Hesbona; hoy ny Israely taminy: Aoka mba handeha hamakivaky ny taninao izahay hankany amin’ny fonenanay. Fa i Sihona dia tsy natoky an’Israely ka tsy namela azy hamakivaky ny faritaniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin’ny Israely. Ary NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nanolotra an’i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tanan’ny Israely ka namely azy ireo. Dia azon’ny Israely ny tanin’ny Amorita rehetra izay mponina tany amin’izany tany izany. Nahazo ny tanin’ny Amorita rehetra izy, hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, ary hatrany amin’ny tany efitra ka hatrany Jordana. Koa ankehitriny, NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Israely olony, ary ianao kosa va dia ta haka ny tany? Tsy hotananao va izay tany omen’i Kemosy andriamanitrao anao? Ary izay tany rehetra omen’NY TOMPO Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa. Moa tsara noho i Balaka, zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, va ianao? Moa nanohitra ny Israely na niady taminy akory va izy? Raha nitoetra nandritra ny telonjato taona tany Hesbona mbamin’ireo vohitra miankina aminy sy tany Aroera mbamin’ireo vohitra miankina aminy ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona ny Israely, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany? Tsy nanota taminao aho fa ianao no manisy ratsy ahy amin’ny iadianao amiko. Aoka NY TOMPO Mpitsara no hitsara ny Zanak’Israely sy ny Amonita anio. Tsy nohenoin’ny mpanjakan’ny Amonita anefa ny tenin’i Jefta izay nampitondrainy tany aminy. Ary tonga tamin’i Jefta ny Fanahin’NY TOMPO, dia nandeha nitety an’i Gileada sy Manase izy; nitety an’i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ny Amonita. Ary nivoady tamin’NY TOMPO i Jefta ka niteny hoe: Raha atolotrao eo an-tanako tokoa ny Amonita dia ho an’NY TOMPO izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy rehefa miverina soa amantsara avy any amin’ny Amonita aho, ary hatolotro ho fanatitra dorana manontolo izany. Dia nandeha i Jefta nankany amin’ny Amonita mba hiady aminy ary natolotry NY TOMPO teo an-tanany ireo. Dia namely azy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’i Minita, dia tanàna roapolo, ary hatrany Abela-Keramima, ka be dia be no maty. Voaetry teo anoloan’ny Zanak’Israely ny Amonita. Ary raha tonga tany Mizpa ho any an-tranony i Jefta, dia indro, nivoaka hitsena azy ny zanany vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy. Vavy tokany izy io fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy. Koa rehefa nahita azy i Jefta dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Indrisy, ry zanako vavy! Tena mitondra fahoriana ho ahy ianao! Isan’izay mampidi-doza ahy ianao! Fa efa niloa-bava tamin’NY TOMPO aho ka tsy azoko iverenana intsony izany. Fa hoy ny zanany vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’NY TOMPO ary ianao dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao satria NY TOMPO efa namaly anao tamin’ny Amonita fahavalonao. Hoy koa izy tamin’ny rainy: Izao no aoka hatao amiko: Aza maninona ahy aloha hatramin’ny roa volana fa handehandeha hankeny amin’ny havoana aho ka hitomany miaraka amin’ny namako noho izaho mbola tsy nanambady akory. Hoy kosa ny rainy: Mandehana ary! Dia namela azy handeha roa volana izy. Dia nandeha Razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ny havoana noho izy tsy mbola nanambady akory. Rehefa tapitra ny roa volana dia niverina tany amin’ny rainy izy ka nataony taminy araka ny voadiny izay nataony. Tsy mbola nahalala lahy na oviana na oviana izy. Hatramin’izay dia tonga fanao teo amin’ny Israely ny fandehanan’ny zazavavin’ny Israely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’i Jefta gileadita, hefarana isan-taona. Ary nivory ny lehilahin’i Efraima dia nandeha nianavaratra ka niteny tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny Amonita ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy ianao! Fa hoy i Jefta taminy: Izaho sy ny oloko dia niady mafy tamin’ny Amonita; ary niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo. Koa rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ny Amonita ary natolotry NY TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra hila ady amiko amin’ity andro ity? Ary namory ny lehilahin’i Gileada rehetra i Jefta ka niady tamin’i Efraima. Dia namely an’i Efraima ny lehilahin’i Gileada, satria hoy ireo: Ianareo Gileadita dia mpandositra avy tamin’i Efraima, ao amin’ny taranak’i Efraima sy i Manase! Dia novonjen’ny Gileadita ny fitàna any Jordana mankany amin’i Efraima. Rehefa niteny ny mpandositra avy amin’i Efraima hoe: Aoka mba hita aho, dia hoy ny lehilahin’ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? Ary raha hoy izy: Tsia, dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta. Dia hoy izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy izy ireo ka namono azy teo amin’ny fitàna ao Jordana; nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany. Enina taona no nitondran’i Jefta ny Israely. Dia maty i Jefta gileadita ka nalevina tao amin’ny tanàna iray any Gileada. Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorianan’i Jefta. Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo, izay nampanambadiny tany ivelany izy, ary zazavavy telopolo kosa no nampidiriny ho an’ny zanany lahy. Nitsara ny Israely nandritra ny fito taona izy; dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema. Ary i Elona Zebolonita no nitsara ny Israely taorianany. Nitsara ny Israely folo taona izy; dia maty i Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ny tanin’i Zebolona. Taorianany dia i Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Israely. Nanana zanakalahy efapolo sy zafy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora fitopolo izy ary nitsara ny Israely nandritra ny valo taona; dia maty i Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ny tanin’i Efraima any amin’ny tendrombohitry ny Amalekita. Ary ny Zanak’Israely dia nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO indray ka natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Filistina nandritra ny efapolo taona. Nisy lehilahy avy tany Zora, avy amin’ny fianakavian’ny Danita, i Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka. Ary niseho tamin-dRavehivavy ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy. Koa mitandrema ianao ankehitriny ka aza misotro divay na toaka ary aza mihinana izay zavatra maloto, na inona na inona izany. Fa indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy hokasihin-kareza ny lohany fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza. Izy no hanomboka hamonjy ny Israely amin’ny tanan’ny Filistina. Dia nandeha Ravehivavy ka nilaza tamin’ny vadiny hoe: Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery ilay Anjelin’Andriamanitra ka tsy nanontany Azy izay niaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany. Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza. Ary nangataka tamin’NY TOMPO i Manoa hoe: Tompo ô, aoka mba hankaty aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay nirahinao, ka hampianatra anay ny fomba hitondranay ny zaza izay ho teraka. Ary Andriamanitra nihaino ny feon’i Manoa ka nankany amin-dRavehivavy indray ilay Anjelin’Andriamanitra raha tany an-tsaha izy; fa tsy teo aminy i Manoa vadiny. Dia nihazakazaka haingana Ravehivavy ka nanambara tamin’ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin’ilay indray andro! Dia nitsangana i Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Ianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dRavehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy. Dia hoy i Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no fomba hitondranay ny zaza ary inona no ho asany? Hoy ilay iraky NY TOMPO tamin’i Manoa: Izay rehetra nolazaiko tamin-dRavehivavy dia aoka hotandremany avokoa. Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona izany; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa. Ary hoy i Manoa tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Aoka mba hotananay Ianao mandra-panomanay zanak’osy ho Anao! Dia hoy ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ny mofonao; fa raha hanolotra fanatitra dorana manontolo ianao, dia aoka NY TOMPO no hanoloranao izany. Fa tsy fantatr’i Manoa ho Anjelin’NY TOMPO Izy. Dia hoy i Manoa tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Iza moa no anaranao mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao? Hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Anarana mahagaga izany! Dia naka ny zanak’osy sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry i Manoa ka nanolotra ireny ho fanatitra dorana manontolo teo amin’ny vatolampy ho an’NY TOMPO izay miasa amin’ny fomba mahagaga; ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny. Rehefa niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara ilay Anjelin’NY TOMPO. Ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny dia niankohoka tamin’ny tany. Ary tsy niseho tamin’i Manoa sy ny vadiny intsony ilay Anjelin’NY TOMPO. Dia fantatr’i Manoa tamin’izay fa Anjelin’NY TOMPO izy. Ary hoy i Manoa tamin’ny vadiny: Ho faty tokoa isika satria efa nahita an’Andriamanitra! Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitraky NY TOMPO ny hahafaty antsika dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy tamin’ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny. Ary niteraka zazalahy Ravehivavy ka ny anarany nataony hoe Samsona. Dia nitombo ny zaza ary NY TOMPO nitahy azy. Dia nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’NY TOMPO tany Mahane-Dana, teo anelanelan’i Zora sy i Estaola. Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahita vehivavy iray tao, avy tamin’ny zanakavavin’ny Filistina. Dia niakatra izy ka nilaza tamin’ny rainy sy reniny hoe: Nahita vehivavy tany Timna, avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina, aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ny zanaky ny havanao, na ato amin’ny fireneko manontolo, no dia mandeha maka vady any amin’ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy i Samsona tamin’ny rainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy. Tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’NY TOMPO izany satria nitady izay hiadiany amin’ny Filistina Izy. Fa tamin’izany andro izany dia ny Filistina no nifehy ny Israely. Dia nidina i Samsona sy ny ray aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nosamatsamahiny toy ny fanasamaka zanak’osy ilay liona tanora, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy nambarany tamin’ny rainy na tamin’ny reniny ny zavatra izay nataony. Dia nidina izy ka niresaka tamin-dRavehivavy; nahafa-po an’i Samsona izy. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niverina hampakatra azy i Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona. Ary indro, nisy andian-tantely sy tantely ranony tao amin’ilay fatin’ny liona. Nakan’i Samsona tamin’ny tanany izany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny ray aman-dreniny izy dia nanome azy ka nihinana koa izy mivady. Tsy nambarany taminy anefa fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany ny tantely. Dia nidina ho any amin-dRavehivavy ny rain’i Samsona; ary nanao fanasana tany i Samsona, fa izany no fanaon’ny zatovo. Rehefa nahita azy izy mianakavy dia nametraka namana telopolo lahy hitoetra ao aminy. Dia hoy i Samsona tamin’ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha lazainareo amiko ny heviny ka hitanareo ny valiny ao anatin’ny fito andro aharetan’ny fanasana dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo. Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ny valiny ianareo dia homenareo lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova aho. Dia hoy izy ireo: Lazao ary ny ankamantatra fa mihaino izahay. Dia hoy i Samsona taminy: Avy tao amin’ny mpihinana no nivoahan’ny hanina; ary avy tao amin’ny mahery no nivoahan’ny mamy. Tao anatin’ny hateloana dia tsy nahalaza ny valin’ny ankamantatra izy ireo. Ary tamin’ny andro fahafito dia hoy izy ireo tamin’ny vadin’i Samsona: Kolikoleo ny vadinao mba hilaza ny ankamantatra aminay, fandrao hodoranay amin’ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao. Nanasa anay va ianareo mba hanafoananareo izay anananay? Tsy izany va? Ary nitomany ny vadin’i Samsona sady nanjohy azy ka niteny hoe: Halanao aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny! Fa hoy i Samsona taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, koa ianao va no hilazako azy? Dia nitomany nanjohy azy hafitoana izay naharetan’ny fanasana Ravehivavy, koa tamin’ny andro fahafito dia nolazain’i Samsona taminy, satria nitakisina taminy izy; fa izy kosa dia nilaza ny hevitry ny ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneny. Tamin’ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely, ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo dia tsy ho nahalala ny ankamantatra nataoko. Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nidina nankany Askelona izy dia namono telopolo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ireo ka nomeny ho an’izay nilaza ny ankamantatra. Nirehitra ny fahatezeran’i Samsona raha niakatra nankany amin’ny tranon’ny rainy izy. Ary ny vadiny dia lasan’ny namany izay efa nataony sakaizany. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny taom-pijinjana ny varimbazaha, dia nitondra zanak’osy i Samsona hoentiny mamangy ny vadiny ka hoy izy: Hiditra ao amin’ny vadiko ao an’efitrano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany, fa hoy izy: Noheveriko ho halanao izy ka nomeko ho an’ny namanao. Moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Miangavy anao aho, aoka izy no halainao ho solony! Hoy i Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao na dia hanisy ratsy ny Filistina aza. Dia lasa nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato; dia naka zavatra hatao fanilo izy ary nampifanendreny tsiroaroa avy ny rambon’ny amboahaolo ka nofehezany fanilo iray teo anelanelan’ny rambony. Ary rehefa narehiny ny fanilo dia nalefany ho any amin’ny varin’ny Filistina ireny ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary hatramin’ny voly oliva. Dia hoy ny Filistina: Iza no nanao izao? Ary nisy nilaza hoe: I Samsona, vinanton’ilay Timnita satria nomen’ny rafozany ho an’ny sakaizany ny vadiny. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dRavehivavy sy ny rainy tamin’ny afo. Hoy i Samsona taminy: Satria izao no fihetsikareo dia hamaly anareo tokoa aho, ka rehefa vita izany vao hitsahatra aho. Dia namely azy izy ka nanapotika azy tanteraka ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ilay harambato mitresaka any Etama. Ary niakatra ny Filistina dia nitoby tany Joda ka niely hatrany Lehy. Dia hoy ny lehilahin’i Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Hoy izy: Hamatotra an’i Samsona no niakaranay mba hanao aminy tahaka izay nataony taminay. Dia nandeha ny lehilahy telo arivo tamin’i Joda nankany amin’ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka niteny tamin’i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka amintsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: Araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy. Hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tanan’ny Filistina ianao. Dia hoy i Samsona taminy: Mianiàna amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo. Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato. Rehefa tonga tany Lehy izy dia nanakora azy ny Filistina. Dia tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO ka tonga tahaka ny kofehy rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tanany ny fatorana. Ary nahita valanoranom-boriky tsy mbola maina izy dia nanainga ny tanany ka naka azy, ary iny no namonoany arivo lahy. Dia hoy i Samsona: Tamin’ny valanoranom-boriky, boriky iray amin’ny boriky maro; tamin’ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy. Rehefa nitsahatra niteny izy dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tanany. Ary ny anaran’izany tany izany dia natao hoe Ramata-Lehy. Ary nangetaheta be izy dia nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: Ianao no nanome izao famonjena lehibe izao tamin’ny tanan’ny mpanomponao. Ankehitriny, moa ho fatin-ketaheta va aho ka hianjera ho eo an-tanan’ny tsy mifora? Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany. Dia nitsara ny Israely roapolo taona tamin’ny andron’ny Filistina izy. Nankany Gaza i Samsona ka nahita vehivavy janga teo dia niditra tao aminy. Ary nisy nilaza tamin’ny Gazita hoe: Tonga atỳ i Samsona. Dia nanodidina azy izy ireo ka nanao vela-pandrika mandritra ny alina teo am-bavahadin’ny tanàna ary nangina mandritra ny alina, fa hoy ireo: Rehefa maraina ny andro dia hovonointsika izy. Ary nandry mandra-paha-mamatonalina i Samsona. Dia nifoha izy nony namatonalina ka noraisiny ireo lelam-baravarana teo amin’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa, dia nongotany mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony dia noentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona. Rehefa afaka izany dia nitia vehivavy iray, tany an-dohasaha Soreka, izy. Nantsoina hoe Delila izy io. Ary ireo andrianan’ny Filistina dia niakatra nankany amin-dRavehivavy ka niteny taminy hoe: Kolikoleo izy ka zahao izay itoeran’ny heriny lehibe sy izay hahafahanay mandresy azy ka hamatoranay azy ary hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekela zato sy arivo avy izahay rehetra. Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mba lazao amiko izay itoeran’ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao ka hahafolaka anao. Hoy i Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy dia ho tonga osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa rehetra. Dia nitondran’ireo lehiben’ny Filistina tady vaovao fito izay tsy mbola maina Ravehivavy ka namatotra azy tamin’ireny. Tamin’izany dia efa nisy lehilahy nanao vela-pandrika ka nitoetra tao amin-dRavehivavy tao an’efitranony. Dia hoy Ravehivavy tamin’i Samsona: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notapahiny tahaka ny fahatapahan’ny tady rongony izay efa maimbo afo ny tady. Kanefa tsy fantatra izay fiavian’ny heriny. Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko. Ankehitriny, mba lazao amiko re izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nampiasaina no amatorana ahy mafy dia ho tonga osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa rehetra. Dia naka mahazaka vaovao i Delila ka namatorany azy izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Tamin’izany dia efa nisy nanao vela-pandrika nitoetra tao amin’ny efitrano. Dia notapahin’i Samsona ho afaka tamin’ny sandriny ireny, tahaka ny fahatapahan’ireny kofehy tsy voafoly ireny. Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako. Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona. Dia hoy Ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nilaza hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izao ary tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ny herinao lehibe. Rehefa nanjohy azy isanandro tamin’ny teniny Ravehivavy ka nahasosotra azy dia tonga leon’ny miaina izy ka naniry ho faty aza. Dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha aratana aho dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tonga tahaka ny olona rehetra. Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany. Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny. Dia hoy Ravehivavy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka niteny hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa NY TOMPO efa niala taminy. Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ny gadra varahina. Nanodina ny vato fikosoham-bary tao amin’ny trano famatorana no nataony. Naniry indray anefa ny volon-dohany efa voaharatra. Ary nivory ireo lehiben’ny Filistina hamono zavatra hatao fanatitra lehibe ho an’i Dagona, andriamaniny sy hifaly. Hoy ireo: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika i Samsona fahavalontsika! Rehefa nahita azy ny vahoaka dia nidera ny andriamaniny hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanapotika ny tanintsika, sady nahabe maty antsika! Rehefa faly iny ny fony dia niteny izy ireo hoe: Alao i Samsona mba hanao kilalao ho antsika! Dia nampaka an’i Samsona avy tao an-trano famatorana izy ka nanao kilalao teo anatrehan’ireo i Samsona. Nampijoroiny teo anelanelan’ny andry izy. Ary hoy i Samsona tamin’ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano mba hiankinako aminy. Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan’ny Filistina rehetra, ary teo an- tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo izay finaritra nijery an’i Samsona nanao kilalao. Ary niantso NY TOMPO i Samsona hoe: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, tsarovy aho ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hanaovako indray mamaly ny Filistina noho ny masoko roa! Dia nitady hitsapa ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano izy, ny iray dia tamin’ny tanany havanana, ary ny iray dia tamin’ny tanany havia, ka niankina tamin’ireo. Dia hoy i Samsona: Aoka hiara-maty amin’ny Filistina aho. Dia nioitra mafy i Samsona ka nianjera tamin’ireo lehibe sy ny vahoaka rehetra teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ny nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny tamin’ny andro niainany. Ary nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra ary nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Roapolo taona no nitsarany ny Israely. Nisy lehilahy tany amin’ny tany be havoana any Efraima, nantsoina hoe Mika. Hoy izy tamin’ny reniny: Ilay volafotsy zato sy arivo sekela nisy naka taminao, izay nasianao ozona, sady nolazainao teo anatrehako izany, indro, ato amiko ny volafotsy; izaho no naka azy. Dia hoy reniny: Hotahìn’NY TOMPO anie ny zanako! Rehefa naveriny tamin’ny reniny ny volafotsy zato sy arivo sekela dia hoy reniny: Atokako ho an’NY TOMPO tanteraka ity vola avy amin’ny tanako ity ka atolotro ho an’ny zanako hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika, ary ankehitriny dia averiko aminao izy. Rehefa naveriny tamin’ny reniny ary ny volafotsy dia naka volafotsy roanjato sekela ny reniny ka nomeny ny mpanefy volafotsy izany mba hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika. Dia natao tao an-tranon’i Mika izany. Dia tonga nanana tranon’Andriamanitra ary izany lehilahy natao hoe Mika izany; nanamboatra efoda sy terafima izy ary ny zanany lahy iray no natokany ho mpisorony. Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely fa samy nanao izay noheveriny ho mety avy ny olona rehetra. Nisy zatovo iray, avy any Betleheman’i Joda, tamin’ny fianakavian’i Joda; levita izy io ary mpivahiny nitoetra tao. Ary niala tao amin’ny tanàna Betleheman’i Joda Ralehilahy mba hivahiny any amin’izay azony hitoerana; nony nandeha izy dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao amin’ny tranon’i Mika. Hoy i Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Hoy izy taminy: Levita avy any Betleheman’i Joda aho ka handeha hivahiny any amin’izay azoko hitoerana. Dia hoy i Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, dia homeko sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ampy ary sakafo. Dia lasa nandeha ilay levita. Avy eo dia nanaiky hitoetra tao amin-dRalehilahy ilay levita ka tonga tahaka ny zanany. Dia natokan’i Mika ilay levita ka tonga mpisorony; nitoetra tao an-tranon’i Mika izy. Dia hoy i Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy NY TOMPO satria manana ity levita ity ho mpisoroko aho. Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely; tamin’izany andro izany koa dia nitady lova mba honenany ny fokon’i Dana, satria hatramin’izany andro izany dia tsy mbola nisy lova voatondro ho azy teo amin’ireo fokon’ny Israely. Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina. Koa satria teo akaikin’ny tranon’i Mika no nisy azy dia fantany ny feon’ilay zatovo levita. Dia nivily tao izy ireo ka niteny taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? Maninona atỳ ianao? Ary inona no fanananao atỳ? Hoy izy tamin’ireo: Izao sy izao no nataon’i Mika tamiko ary nanome karama ahy izy ka tonga mpisorony aho izao. Hoy izy ireo taminy: Miangavy anao izahay, manontania amin’Andriamanitra hahafantaranay na hambinina amin’ny lalana alehanay izahay na tsia. Hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana amin’ny fiadanana; fa eo anatrehan’NY TOMPO izao lalana alehanareo izao. Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy. Hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy araka ny fomban’ny Sidoniana, nandry fehizay sady tsy nanana ahiahy; tsy nisy mpandroba natahorana teo amin’ny tany; ary lavitra ny Sidoniana izy ireo sady tsy nanana fifandraisana tamin’olon-kafa akory. Dia nandeha ho any amin’ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; hoy ireo rahalahiny taminy: Ahoana ny hevitrareo ny amin’izany? Dia hoy ireo: Mitsangàna ka aoka isika hiakatra hamely azy. Efa nahita ny tany izahay fa indro, tena tany tsara. Kanefa ianareo tsy misy miteny! Aza malain-kandeha hiditra handray ny tany! Raha mandeha ianareo dia ho tonga any amin’ny olona tsy manana ahiahy sy any amin’ny tany malalaka; fa efa natolotr’Andriamanitra ho eo an-tananareo izany, dia tany tapi-javatra irina etỳ ambonin’ny tany. Dia nisy niainga avy tamin’ny fianakavian’i Dana, avy tany Zora sy Estaola; eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany. Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-Jearima any Joda. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany hoe Mahane-Dana mandraka androany; indro, eo andrefan’i Kiriata-Jearima izany. Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika. Hoy izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany Laisy, tamin’ireo rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra ary sarin-javatra voarendrika? Koa hevero izay hataonareo. Dia nivily tao izy ireo ka tonga tao amin’ny tranon’ilay zatovo levita, tao an-tranon’i Mika, dia niarahaba azy. Ary ny eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany izay avy tamin’ny taranak’i Dana, dia nijanona teo anoloan’ny vavahady. Dia niakatra izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany ka niditra ary naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika; tamin’izany ilay mpisorona dia nijoro teo anoloan’ny vavahady, niaraka tamin’ny eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany. Niditra tao amin’ny tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika. Dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona no ataonareo eto? Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely? Dia faly ny fon’ilay mpisorona ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, dia nandeha voahodidin’ny olona izy. Dia niainga izy ireo ka lasa nandeha ary ny zaza amam-behivavy sy ny omby aman’ondry mbamin’ny fananany dia nataony teo alohany. Rehefa lasa lavitra ny tranon’i Mika izy ireo dia nifamory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin’i Mika ka nanenjika ny taranak’i Dana. Dia niantso ireo taranak’i Dana izy. Niherika ireo ka niteny tamin’i Mika hoe: Maninona ianao no miantsoantso toy izao? Hoy izy: Nalainareo ny andriamanitro izay namboariko ary nalainareo koa ny mpisorona; koa inona intsony no mba ho ahy? Ahoana no itenenanareo amiko hoe: Maninona ianao? Hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo ka hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao. Dia nandeha tamin’ny nalehany ny taranak’i Dana. Rehefa hitan’i Mika fa nahery noho izy ireo dia niverina izy ka nody tany an-tranony. Nalain’izy ireo ary ny zavatra nataon’i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy. Notafihany i Laisy, izay olona mandry fehizay sady tsy manana ahiahy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna. Tsy nisy namonjy izy, satria lavitra an’i Sidona izany tanàna izany ary tsy nifandray tamin’olona akory, sady tao amin’ny lohasaha izay miitatra mankany Bety-Rehoba no nisy azy. Dia nanorina indray ny tanàna izy ireo ka nonina tao. Ary ny anaran’ny tanàna dia nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana rainy izay naterak’Israely, fa Laisy no anaran’ny tanàna taloha. Dia natsangan’ny taranak’i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary i Jonatana, zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, sy ireo zanany lahy, no mpisorona ho an’ny fokon’i Dana hatramin’ny fotoanan’ny fahababoana. Natsangany ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’i Mika. Naharitra nandritra ny andro rehetra niorenan’ny tranon’Andriamanitra tao Silo izany. Tamin’izany andro izany, fony tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely, dia nisy levita iray nivahiny tany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima ka naka vady tsindrano avy any Betleheman’i Joda. Ary ny vady tsindranony dia nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon’ny rainy any Betleheman’i Joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka. Dia niainga Ralehilahy ka nandeha nanaraka azy mba hanambitamby sy hampody azy. Noentiny niaraka taminy ny zatovony sy boriky roa. Nampiantranoin-dRavehivavy ho ao an-tranon’ny rainy izy, koa nony hitan’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy dia faly nihaona taminy izy. Nihazona azy ny rafozany, rain-dRazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy sy ny zatovony, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao. Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha vao maraina izy roa lahy, koa rehefa niomana handeha dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, avy eo dia handeha ianareo. Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro. Dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin-dRalehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina ary aoka ho faly ny fonao! Rehefa nitsangana handeha Ralehilahy dia nanery azy hijanona ny rafozany ka tafandry tao indray izy. Dia nifoha vao maraina indray izy tamin’ny andro fahadimy mba handeha nefa hoy ny rain-dRazazavavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao ka mijanonjanòna aloha mandra-pihilan’ny andro. Dia niara-nihinana izy roa lahy. Rehefa niainga handeha Ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompolahiny dia hoy ny rafozany, rain-dRazazavavy, taminy: Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa miangavy re, mandria ihany anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro ka mandria eto, mba hifalian’ny fonao! Rahampitso dia hifoha vao maraina ianareo ka handeha hody ianao. Tsy nety nijanona handany ny alina intsony anefa Ralehilahy fa niainga izy ka nandeha dia tonga tandrifin’i Jebosa na Jerosalema, niaraka tamin’ny boriky roa samy voaisy lasely ary koa ny vady tsindranony. Rehefa tonga teo akaikin’i Jebosa izy ireo ka efa ho hariva ny andro dia hoy ny zatovo tamin’ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ity tanànan’ny Jebosita ity isika ka handry ao. Hoy anefa ny tompony taminy: Tsy hiakatra ao amin’ny tanànan’ny hafa firenena izay tsy misy Israelita isika, fa handroso ihany ho any Gibea. Hoy ihany izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hizotra hakamin’ny iray amin’irerỳ tanàna irerỳ, dia i Gibea na i Rama, ka handry any. Dia nandroso izy ka nandeha. Ary raha mbola teo akaikin’i Gibea izay an’i Benjamina, izy, dia nilentika ny masoandro. Dia nivily lalana ho any Gibea izy mba handeha handry ao. Niditra izy dia nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna nefa tsy nisy olona nampiantrano azy mba handriany amin’ny alina. Ary indro, nisy lahiantitra iray avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ny tany be havoana any Efraima koa izy io, saingy vahiny nitoetra tany Gibea; fa ny mponina tao amin’izany tanàna izany dia ny Benjamina. Rehefa nanopy ny masony ilay lahiantitra ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ny tanàna dia niteny hoe: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza? Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy. Misy mololo sy hanina ihany anefa ho an’ny borikinay sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao ary ho an’ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao. Tsy misy zavatra ilainay intsony. Dia hoy ilay lahiantitra: Fiadanana anie ho anao! Aoka ho adidiko izay rehetra ilainao fa aza mandry eto an-kianja eto! Dia nampiditra azy tao an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro. Raha mbola nampifaly ny fony izy dia indreo, nisy lehilahy tao an-tanàna, izay lehilahy tena ratsy fanahy, tonga nanodidina ny trano ka nandondòna mafy teo am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao mba hahalalanay azy. Dia nivoaka nankeo aminy Ralehilahy tompon-trano ka niteny taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao izay ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo! Indro ny zanako vavy virijiny sy ny vady tsindranon-dRalehilahy, aoka hoentiko mivoaka ireo ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany! Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. Rehefa ho maraina ny andro dia tonga Ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dRalehilahy, izay nitoeran’ny vadiny, ka tavela teo mandra-pahazava ny andro. Dia nifoha maraina Ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny lalan-kalehany. Kanjo indro, Ravehivavy vady tsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano ary eo amin’ny tokonana ny tanany. Hoy Ralehilahy taminy: Mitsangàna fa andeha isika. Kanjo tsy nisy valiny. Dia nobatain-dRalehilahy izy ka nasampiny teo amin’ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ny fonenany. Rehefa tonga tao an-tranony izy dia naka antsy ary noraisiny ny fatin’ilay vady tsindranony dia norasainy araka ny famavanin’ny taolana ho roa amby folo toko ka nampitondrainy manerana ny tanin’ny Israely rehetra. Hoy izay rehetra nahita: Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao, na nahitan-javatra toy izao hatramin’ny andro niakaran’ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina ka ambarao. Dia niainga ny Zanak’Israely rehetra ka nivory toy ny olona tokana ny fiangonana, hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba ary ny tany Gileada, ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa. Ary ny loholona rehetra tamin’ny fokon’ny Israely dia niseho teo amin’ny fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra, dia miaramila efatra hetsy mandeha an-tongotra sady mahatan-tsabatra. Ary ren’ny taranak’i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak’Israely. Dia hoy ny Zanak’Israely: Lazao izay nahatonga izao loza izao. Dia hoy ilay levita, vadin-dRavehivavy novonoina hoe: Tonga tany Gibea, izay an’i Benjamina, izaho sy ny vady tsindranoko mba handry tao. Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin’ny alina. Izaho saika novonoiny, ary ny vady tsindranoko nandriany ka matiny. Dia nalaiko ny vady tsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin’ny tany rehetra izay lovan’ny Israely satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin’ny Israely ireo. Koa indreto ianareo Zanak’Israely rehetra, mba alaharo eto izay teny sy hevitrareo. Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Tsy hisy hankany amin’ny tranolaintsika isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika. Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’i Gibea: Araka ny antsapaka no aoka hiakarantsika hamely azy. Haka folo lahy isan-jato amin’ny fokon’ny Israely rehetra isika, dia zato amin’ny arivo, ary arivo amin’ny iray alina, mba haka vatsy ho an’ny olona, koa rehefa tonga any Gibean’i Benjamina ireo dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin’ny Israely no hataony aminy. Dia nivory ny lehilahy rehetra tamin’ny Israely ka nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna. Ary nandefa iraka tany amin’ny fokon’i Benjamina rehetra ny fokon’ny Israely hiteny hoe: Inona izao loza natao teto aminareo izao? Ankehitriny, atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo mba hovonoinay ho faty ka hesorinay tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy. Nefa ny taranak’i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ny Zanak’Israely rahalahiny. Ary nivory avy tamin’ny tanànany rehetra ny taranak’i Benjamina hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Israely. Dia voalamina tamin’izany andro izany ny taranak’i Benjamina avy tamin’ireo tanàna ireo ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fitonjato lahy voafantina. Teo amin’izany olona rehetra izany dia nisy olona kavia fitonjato lahy voafantina, samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady ka tsy nisy nivaona na dia toy ny singam-bolo iray aza. Ary ny lehilahy voalamina tamin’ny Israely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa izy rehetra ireo. Dia niainga ny Zanak’Israely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina? Dia hoy NY TOMPO: I Joda no ho voalohany. Dia niainga vao maraina ny Zanak’Israely ka nitoby tandrifin’i Gibea. Niainga ny lehilahin’ny Israely hiady amin’ny Benjamina; nilahatra ny lehilahin’ny Israely hiady aminy tao akaikin’i Gibea. Niala avy tany Gibea kosa ny taranak’i Benjamina ka naharingana lehilahy roa arivo sy roa alina niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely, tamin’izany andro izany. Nampahery tena anefa ny lehilahin’ny Israely ka nilahatra hiady indray teo amin’ilay nilaharany tamin’ny andro voalohany. Ary niakatra ny Zanak’Israely ka nitomany teo anatrehan’NY TOMPO mandra-paharivan’ny andro, dia nanontany tamin’NY TOMPO hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko? Ary hoy NY TOMPO: Miakara hiady aminy. Ary ny Zanak’Israely dia nandroso tamin’ny andro faharoa hiady amin’ny taranak’i Benjamina. Dia niala avy tany Gibea ny Benjamina hiady aminy indray tamin’ny andro faharoa ka naharingana valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo. Dia niakatra ny Zanak’Israely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’NY TOMPO ary nifady hanina tamin’izany andro izany mandra-paharivan’ny andro, ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nanontany tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely, fa tao ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’izany andro izany, ary i Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona, no nanao fanompoana teo anoloany tamin’izany andro izany ka niteny hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Dia hoy NY TOMPO: Miakara, fa hatolotro ho eo an-tananao izy rahampitso. Ary nasian’ny Israely vela-pandrika manodidina an’i Gibea. Dia niakatra ny Zanak’Israely tamin’ny andro fahatelo hiady amin’ny taranak’i Benjamina ka nilahatra tandrifin’i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany. Dia niainga ny taranak’i Benjamina hiady tamin’ny olona ka voatarika hanalavitra ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telopolo lahy tamin’ny Israely, tany amin’ireo lalambe izay miakatra ho any Betela ny iray, ary ho any an-tsaha, mankany Gibea ny iray. Ary hoy ny taranak’i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’Israely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ny tanàna ka ho any an-dalambe. Dia nitsangana niala tamin’ny toerana nisy azy ny lehilahy rehetra tamin’ny Israely ka nilahatra tany Baala-Tamara; ary ny Israely izay nanao vela-pandrika dia nirohotra avy tamin’ny toerany, avy tao an-tsahan’i Gibea. Tonga tandrifin’i Gibea ny lehilahy iray alina voafantina tamin’ny Israelita rehetra. Ary mafy ny ady nefa tsy fantatry ny taranak’i Benjamina fa efa hiharan-doza izy. Ary NY TOMPO namely an’ny Benjamina teo anoloan’Israely, ary tamin’izany andro izany i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Israely lehilahy zato sy dimy arivo sy roa alina; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo. Hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy. Ny lehilahin’ny Israely dia nanao tari-dositra niala tamin’i Benjamina satria natoky ny vela-pandrika izay napetrany teo akaikin’i Gibea izy. Dia nihazakazaka hankany Gibea ny mpanao vela-pandrika ka nirohotra namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra. Ary ny famantarana izay nifaneken’ny lehilahin’ny Israely sy ny mpanao vela-pandrika dia setroka matevim-be izay hampiakariny avy ao an-tanàna. Dia nitampody tao anatin’ny ady ny lehilahin’ny Israely ka nanomboka namely an’i Benjamina ary nahafaty tokony ho telopolo lahy tamin’ny Israely, ka hoy ireo: Resy eo anoloantsika tokoa tahaka ny tamin’ny ady voalohany izy! Kanjo raha vao niakatra avy tao amin’ny tanàna ny setroka mitankosina dia niherika hijery ny Benjamina; ary indro, niakatra ho amin’ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna! Ary nitampody ny lehilahin’ny Israely, dia raiki-tahotra ny lehilahin’ny Benjamina, satria hitany fa efa nidiran-doza izy. Nandositra teo anoloan’ny lehilahin’ny Israely ireo hankany amin’ny lalana ho any an-tany efitra, nefa nahatratra azy ihany ny ady, ary ireo izay nivoaka avy tao an-tanàna koa dia namono azy satria tonga teo afovoany ireo. Nohodidininy ny Benjamina ka nenjehiny ary tsy navelany hiaina, dia nohitsakitsahiny hatrany akaikin’i Gibea any atsinanany. Nahafatesany lehilahy valo arivo sy iray alina ny Benjamina; lehilahy mahery avokoa ireo rehetra ireo. Dia nivily ny sisa ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona; ary izay voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola noenjehiny ihany hatrany Gideoma ireo ka nahafatesany roa arivo lahy. Ny Benjamina rehetra izay lavo tamin’izany andro izany dia lehilahy dimy arivo sy roa alina nahatan-tsabatra; lehilahy mahery avokoa ireo rehetra ireo. Fa nisy eninjato lahy nitampody ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona, dia nitoetra efa-bolana tao. Dia niverina indray tany amin’ny taranak’i Benjamina ny lehilahin’ny Israely ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, hatramin’ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ny biby fiompy mbamin’izay rehetra hitany. Ny tanàna rehetra izay hitany dia nodorany tamin’ny afo avokoa. Ary ny lehilahin’ny Israely dia efa nianiana tany Mizpa hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjamina. Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’Andriamanitra mandra-paharivan’ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy indrindra hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, nahoana no tonga tamin’ny Israely izao zavatra izao ankehitriny ka nahabangana foko iray ny Israely? Nony ampitson’iny dia nifoha vao maraina ny olona ka nanorina alitara teo ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Hoy ny Zanak’Israely: Iza amin’ny fokon’ny Israely rehetra no tsy niakatra teo amin’ny fiangonana hanatona NY TOMPO? Fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’izay tsy niakatra ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa, nilaza hoe: Hovonoina ho faty izy. Ary nanenina ny amin’ny Benjamina rahalahiny ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Misy firenena iray voafongotra tsy ho eo amin’ny Israely ankehitriny. Inona no hataontsika amin’ireo sisa mba hahazoany vady, fa isika efa nianiana tamin’NY TOMPO tsy hanome vady azy amin’ny zanatsika vavy? Dia hoy izy: Iza amin’ny fokon’ny Israely no tsy mba niakatra ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa? Ary indro, tsy nisy olona avy tany Jabesy-Gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ny fiangonana. Fa rehefa voaisa ny olona dia indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin’ny tompon-tany tany Jabesy-Gileada. Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alina ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy-Gileada mbamin’ny zaza amam-behivavy. Izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra efa nahalala lahy dia hataonareo zavatra voaozona. Ary nahita zazavavy virijiny efajato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ny mponina tany Jabesy-Gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ny tany Kanana. Ary ny fiangonana rehetra dia nandefa iraka hiteny tany amin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy. Dia niverina tamin’izany andro izany ny Benjamina ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ny vehivavy tao Jabesy-Gileada ireo. Kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo. Ary nanenina noho ny amin’ny Benjamina ny olona satria nisy nobangain’NY TOMPO ny fokon’ny Israely. Dia hoy ny loholon’ny fiangonana: Inona no hataontsika ho an’ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin’ny Benjamina? Dia hoy ireo: Tsy maintsy mahazo lova izay afa-nandositra amin’ny Benjamina mba tsy hisy foko iray izay fongotra amin’ny Israely. Nefa isika dia tsy mahazo manome azy ny zanatsika vavy ho vadiny satria efa nianiana ny Zanak’Israely hoe: Ho voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamina. Dia hoy ireo: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’NY TOMPO any Silo izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema ary atsimon’i Lebona. Ary nandidy ny taranak’i Benjamina izy ireo hoe: Mandehana ka manaova vela-pandrika any amin’ny tanim-boaloboka ka jereo, ary rehefa hitanareo mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo dia mivoaha avy ao amin’ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo izay ho vadiny avy ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray. Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny dia holazainay aminy hoe: Aoka hamindra fo aminy ianareo fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy, fa raha izany dia meloka ianareo. Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia lasa izy ireo niverina ho any amin’ny lovany ary nanangana indray ireo tanàna ka nonina tao. Dia samy nandeha niala teo ny Zanak’Israely tamin’izany andro izany, samy ho any amin’ny fokony sy ny fianakaviany avy; niala teo ho any amin’ny lovany avy ny olona rehetra. Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany; samy nanao izay noheveriny ho mety avy izy rehetra. Tamin’ny andro nitondran’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betleheman’i Joda nandeha nivahiny tany amin’ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny zanany roa lahy. Elimeleka no anaran-dRalehilahy, Naomy no anaran’ny vadiny, ary ny anaran’ny zanany roa lahy dia i Malòna sy i Kiliona; Efratita avy any Betleheman’i Joda izy ireo. Tonga tany amin’ny tany Moaba izy ka nitoetra tany. Ary maty i Elimeleka, vadin’i Naomy, ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa. Ary naka vady tamin’ny vehivavy moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ny iray, ary Rota no anaran’ny iray. Nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy. Ary maty koa izy mirahalahy, dia i Malòna sy i Kiliona, ka tavela irery Ravehivavy, namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny. Dia niainga izy sy ny vinantovaviny ka nody avy tany amin’ny tany Moaba. Fa reny tany amin’ny tany Moaba fa novangian’NY TOMPO ny olony ka nomeny hanina. Dia niala tamin’izay nitoerany izy ary niaraka taminy ny vinantovaviny roa; nandeha hiverina any amin’ny tanin’ny Joda izy ireo. Ary hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny roa: Andeha, samia mody any amin’ny tranon-dreninareo avy ianareo! NY TOMPO anie hanisy soa anareo araka izay nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa! Homen’NY TOMPO tokantrano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy i Naomy. Ary samy nanandratra ny feony izy roa vavy ka nitomany. Dia hoy izy roa vavy tamin’i Naomy: Tsia! Hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay! Fa hoy i Naomy: Mandehana miverena, anaka! Nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo? Mandehana miverena, anaka! Fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony. Raha hoy aho: Mbola misy fanantenana ihany ho ahy, eny, na dia hanambady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy, moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanambady? Tsia, anaka! Fa mangidy lavitra ny manjo ahy noho ny manjo anareo, fa ny tanan’NY TOMPO no natsotrany hamely ahy. Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany. Ary nanoroka ny rafozany vavy i Orpa, fa i Rota kosa dia nifikitra taminy ihany. Hoy izy: Indro, ny rahavavinao dia lasa nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena koa ianao hanaraka ny rahavavinao. Hoy anefa i Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiverina tsy hanaraka anao! Izay alehanao no halehako, ary any amin’izay atorianao ho hatoriako; ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’NY TOMPO amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika! Rehefa hitany fa tapa-kevitra handeha hiaraka aminy i Rota dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy. Dia nandeha izy mianaka ka tonga tany Betlehema. Rehefa tonga tany Betlehema izy dia taitra ny iray tanàna manontolo nahita azy ka hoy ny vehivavy: I Naomy va re ity? Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara satria mangidy loatra ny nataon’ny Tsitoha tamiko. Nivoaka nanam-be aho fa nampodìn’NY TOMPO ho tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no mbola ataonareo hoe Naomy, nefa NY TOMPO nitsangana ho fahavaloko, ary ny Tsitoha nampahory ahy? Dia niverina i Naomy sy i Rota vinantovaviny, vehivavy moabita, ilay niaraka taminy tamin’izy niverina avy tany amin’ny tany Moaba. Tonga tao Betlehema izy tamin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha. Ary nisy havan’ny vadin’i Naomy avy amin’ny fokon’i Elimeleka. Lehilahy mpanjatobe izy io, Boaza no anarany. Ary hoy i Rota, vehivavy moabita, tamin’i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorianan’izay olona hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka! Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorianan’ny mpijinja. Ary sendra tonga tany amin’ny tanimbarin’i Boaza izay avy amin’ny fokon’i Elimeleka, izy. Ary indro, tonga avy tany Betlehema i Boaza ka niteny tamin’ny mpijinja hoe: Homba anareo anie NY TOMPO! Dia hoy kosa ireo taminy: Hitahy anao anie NY TOMPO! Dia hoy i Boaza tamin’ny mpanompony izay nitandrina ny mpijinja: Zanak’iza moa io zazavavy io? Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja hoe: Zazavavy moabita izay niverina niaraka tamin’i Naomy avy tany amin’ny tany Moaba io; fa hoy izy: Miangavy anao aho, aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorianan’ny mpijinja eny anelanelan’ny amboara. Dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tany an-trano. Dia hoy i Boaza tamin’i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha mitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao fa miaraha amin’ny mpanompovaviko. Aoka ho amin’ny tanimbary izay ijinjany ny masonao ka mandehana ao aorianany ianao: Tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ny siny ka misotroa amin’izay nantsakain’ny zatovo. Dia niondrika i Rota ka niankohoka tamin’ny tany ary niteny taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy nefa vahiny ihany aho? Dia namaly i Boaza hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ny rafozambavinao hatrizay nahafatesan’ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ny tany nahaterahanao ary ny nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy mbola fantatrao. Hamaly ny nataonao anie NY TOMPO ka homen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany ianao! Dia hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy! Fa nampifaly ahy ianao, ary niteny mora tamin’ny mpanompovavinao, na dia tsy tahaka ny iray amin’ny mpanompovavinao akory aza aho. Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana dia hoy i Boaza taminy: Mankanesa atỳ ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja izy. Ary nakan-dRalehilahy lango izy dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza. Rehefa nitsangana hitsimpona izy dia nodidian’i Boaza ny mpanompolahy hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan’ny amboara aza ka aza maninona azy ianareo. Ary asio latsadatsaka avy amin’ny amboara ka avelao ireny hotsimponiny fa aza rarana izy. Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ny andro i Rota, dia nively izay efa voatsimpony ka nisy varimbazaha tokony ho iray efaha. Dia noentiny izay azony ka nankany an-tanàna izy ary hitan’ny rafozambaviny izay efa voatsimpony. Navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin’ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany. Dia hoy ny rafozambaviny taminy: Taiza no nitsimponanao androany ary taiza no niasanao? Hotahìna anie izay nitsinjo anao! Dia nambarany tamin’ny rafozambaviny ny olona izay niasany ka hoy izy: Boaza no anaran’ny lehilahy izay tompon’ny tanimbary nitsimponako androany. Dia hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny: Hotahìn’NY TOMPO izay tsy nitsahatra nanao soa amin’ny velona sy ny maty anie izy. Ary hoy koa i Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany Ralehilahy, koa isan’izay mahavotra antsika izy. Ary hoy i Rota, vehivavy moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan’ny mpanompoko ianao mandra-pahatapitra ny fijinjana. Ary hoy i Naomy tamin’i Rota vinantovaviny: Tsara izany anaka, raha miara-miasa amin’ny zatovovavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any amin’ny saha hafa. Ary tsy nety nisaraka tamin’ny mpanompovovavin’i Boaza izy fa nitsimpona mandra-pahatapitra ny fijinjana ny varimbazaha; tao amin’ny rafozambaviny izy no nitoetra. Dia hoy i Naomy rafozambaviny taminy: Tsy hitady izay tokantrano hahitanao fiadanana va aho anaka, mba hahasoa anao? Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va i Boaza, tompon’ireo zatovovavy izay niarahanao? Indro, mikororòka varimbazaha eo am-pamoloana izy anio alina. Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana. Nefa aza atao fantatr’i Ralehilahy akory ianao raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy. Ary rehefa mandry izy dia fantaro izay andriany ary midira ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao. Ary holazainy aminao izay hataonao. Dia hoy izy taminy: Eny, hataoko izay rehetra lazainao amiko. Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny rafozambaviny azy. Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Boaza ka faly ny fony dia nandeha handry teo amin’ny sisin’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa i Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. Ary nony mamatonalina dia nangorohoro Ralehilahy ka niarina hitsapa ary indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony. Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa Ravehivavy: Rota mpanompovavinao aho. Mba rakofy ny lambanao ny mpanompovavinao, fa havana mahavotra ianao. Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena. Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatry ny fireneko rehetra eo an-tanàna fa vehivavy mendrika ianao. Ankehitriny, marina fa havana mahavotra aho, nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hanavotra anao izy dia tsara izany, aoka izy no hanavotra anao; fa raha toa ka tsy hanao izany izy dia izaho no hanavotra anao, raha velona koa NY TOMPO! Mitoera ihany atỳ mandra-paharain’ny andro. Dia nandry teo an-tongony mandra-paharain’ny andro i Rota, ary nifoha raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ifankahalalana iny. Fa hoy Ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana Ravehivavy! Dia hoy koa izy: Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazòny. Ary rehefa nataony izany dia namatra varimbazaha inenin’ny famarana i Boaza ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna i Boaza. Rehefa tonga tany amin’ny rafozambaviny i Rota dia hoy i Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dRalehilahy taminy. Hoy koa izy: Ireto varimbazaha inenin’ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ny rafozambavinao. Dia hoy i Naomy: Mitoera ihany anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha; fa tsy hijanona Ralehilahy raha tsy vitainy anio ihany izany. Rehefa tafakatra teo am-bavahady i Boaza ka nipetraka teo dia indro nandalo ilay havana mahavotra voalazany. Dia hoy i Boaza: Ranona irỳ ô! Mivilia kely ka mipetraha eto! Dia nanatona izy ka nipetraka. Dia naka loholona folo lahy tao an-tanàna i Boaza ka niteny hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo. Dia niteny tamin’ilay havana mpanavotra izy hoe: I Naomy izay niverina avy tany amin’ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’i Elimeleka rahalahintsika. Ary izaho dia nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ny loholona amin’ny fireneko izany! Raha hanavotra ianao, dia avoty! Fa raha toa ka tsy hanavotra ianao dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Izaho no hanavotra. Dia hoy i Boaza: Amin’izay andro ividiananao ny tany amin’ny tanan’i Naomy dia amin’i Rota koa, vehivavy moabita, vadin’ny maty, no hividiananao azy mba hitondra loloha ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany ianao. Hoy anefa ilay havana mahavotra: Tsy afaka manavotra ho an’ny tenako aho fandrao manimba ny lovako izany; avoty ihany ho anao izay tokony ho anjarako fa tsy mahavotra aho. Toy izao no fanao fahiny teo amin’ny Israely raha nisy raharaha fanavotana na fanakalozana, mba hahamafy orina ny teny rehetra: Nesorin’ny iray ny kirarony ka nomena ny iray. Izany no fanamarinam-panekena teo amin’ny Israely. Ary hoy ilay havana mahavotra tamin’i Boaza: Vidionao izany! Dia nanaisotra ny kirarony izy. Dia hoy i Boaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Ianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ny tanan’i Naomy izay rehetra an’i Elimeleka sy izay rehetra an’i Kiliona sy i Malòna. Ary i Rota koa, vehivavy moabita, vadin’i Malòna, dia lasako ho vadiko hitondra loloha ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany mba tsy ho faty maso ny anaran’ny maty eo amin’ny rahalahiny sy eo amin’ny vavahadin’ny fonenany. Ianareo no vavolombelona androany. Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay! Hataon’NY TOMPO tahaka an’i Rahely sy tahaka an’i Lea anie ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ny Israely! Ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao! Ho tahaka ny taranak’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’NY TOMPO anao amin’ity zazavavy ity! Ary i Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy. Ary NY TOMPO nampanana anaka azy dia niteraka zazalahy izy. Ary hoy ireo vehivavy tamin’i Naomy: Isaorana anie NY TOMPO izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka hambara eo amin’ny Israely ny anarany! Dia hamelombelona ny ainao sy hikarakara anao amin’ny fahanteranao izy; fa niteraka azy ny vinantovavinao tia anao, dia ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy. Dia nandray ny zaza i Naomy ka nitrotro azy ary tonga mpitaiza azy. Ary nanome anarana azy ny vehivavy namany ka niteny hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy! Ary ny anarany dia nataony hoe Obeda. Izy no rain’i Jese, rain’i Davida. Ary izao no taranak’i Fareza: I Fareza dia niteraka an’i Hezrona; i Hezrona dia niteraka an’i Rama; i Rama dia niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba dia niteraka an’i Nasona; i Nasona dia niteraka an’i Salmona; i Salmona dia niteraka an’i Boaza; i Boaza dia niteraka an’i Obeda; i Obeda dia niteraka an’i Jese, ary i Jese dia niteraka an’i Davida. Nisy lehilahy iray tany Ramataima-Zofima, any amin’ny tany be havoana any Efraima; Elkana no anarany, zanak’i Jerohama, zanak’i Eliho, zanak’i Toho, zanak’i Zofa efratita. Nampirafy izy, Hana no anaran’ny vadiny iray, ary Penina kosa no anaran’ny iray. I Penina dia nanan-janaka, fa i Hana kosa dia tsy mba nanana. Niakatra isan-taona niala tao amin’ny tanànany Ralehilahy mba hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa, mpisoron’NY TOMPO. Tamin’ny andro namonoan’i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy i Penina vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy rehetra. Nomeny anjaran-droa kosa i Hana satria izy no tiany na dia nataon’NY TOMPO momba aza. Tsy nitsahatra nanorisory an’i Hana ny rafiny mba hampalahelo azy mafy, noho ny nanaovan’ny TOMPO azy momba. Toy izany no fanaon’i Elkana isan-taona, rehefa niakatra ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Hana, ary toy izany koa no nanorisorenan’ny rafiny an’i Hana; koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. Fa hoy i Elkana vadiny taminy: Ry Hana, nahoana ianao no mitomany? Nahoana ianao no tsy mety mihinan-kanina? Ary nahoana ianao no malahelo fo? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho? Dia nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Ary nipetraka tamin’ny sezany teo anilan’ny tolanam-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO i Ely mpisorona. Nalahelo mafy i Hana ka nivavaka tamin’NY TOMPO sady nitomany mafy. Dia nivoady izy hoe: Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Raha mba hitsinjo ny fahorian’ny mpanompovavinao tokoa Ianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny mpanompovavinao fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’NY TOMPO kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany ka tsy hokasihin-kareza ny lohany. Raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO izy dia nodinihin’i Ely ny vavany. Koa satria niteny anakampo i Hana ka ny molony ihany no nihetsiketsika fa tsy re akory ny feony dia noheverin’i Ely fa mamo izy. Ary hoy i Ely taminy: Mandra-pahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao. Dia namaly i Hana hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory; mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’NY TOMPO aho. Aza mba heverina ho vehivavy tena ratsy fanahy ny mpanompovavinao; fa ny haben’ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny. Dia hoy i Ely: Mandehana amin’ny fiadanana; homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao Taminy. Hoy Ravehivavy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny mpanompovavinao. Dia lasa nandeha izy ka nihinana ary tsy nalahelo tarehy intsony. Ary nifoha vao maraina izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama. Ary nahalala an’i Hana vadiny i Elkana ary NY TOMPO nahatsiaro azy. Dia nanana anaka i Hana tamin’ny faran’ny taona ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, satria hoy izy: Tamin’NY TOMPO no nangatahako azy. Ary i Elkana vadiny sy ny ankohonany rehetra dia niakatra mba hamono zavatra hatolony ho fanatitra fanao isan-taona ho an’NY TOMPO sy ho fanefany ny voadiny. Tsy mba niakatra kosa i Hana, satria hoy izy tamin’ny vadiny: Aoka aloha mandra-pampisara-nono ny zaza, fa amin’izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’NY TOMPO ka hitoetra ao mandrakizay izy. Ary hoy i Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mijanòna ihany mandra-pampisarahanao nono azy; hotanterahin’NY TOMPO anie ny teniny. Dia nijanona Ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-pampisarany nono azy. Nony efa nisara-nono ny zaza dia noentiny niakatra niaraka taminy ary nitondra vantotra ombilahy telo sy koba eran’ny efaha ary divay iray siny hoditra koa izy, koa noentiny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO tao Silo ireo; mbola kely ny zaza tamin’izay. Dia novonoiny ny vantotra ombilahy iray ary noentiny ho ao amin’i Ely ny zaza. Ary hoy i Hana: Tompoko ô! Raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’NY TOMPO. Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’NY TOMPO ahy izay nangatahiko Taminy. Izaho kosa dia manolotra azy ho an’NY TOMPO. Eny, amin’ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’NY TOMPO izy. Dia niankohoka nivavaka tamin’NY TOMPO izy. Ary nivavaka i Hana ka hoy izy: Ny foko dia ravoravo amin’NY TOMPO, ny tandroko dia voasandratra amin’NY TOMPO, ny vavako dia misokatra hamaly ny fahavaloko satria mifaly amin’ny famonjenao aho. Tsy misy masina tahaka NY TOMPO satria tsy misy afa-tsy Ianao; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika. Aza mahery miteny an’avona ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana, fa NY TOMPO no Andriamanitry ny fahalalana ary Izy no mandanja ny asa. Tapaka ny tsipìkan’ny olo-mahery ary izay mila ho reraka dia misikina hery. Mikarama mofo ny voky ary mianina kosa ny noana; ny momba dia miteraka fito ary mihamalemy kosa ny maro anaka. NY TOMPO no mahafaty sy mahavelona; Izy no mampidina ho any amin’ny fitoeran’ny maty sy mampiakatra avy any. NY TOMPO no mampahantra sy mampanankarena; Izy no mampietry sy mampisandratra. Izy no manangana ny fadiranovana avy amin’ny vovoka sy manandratra ny mahantra avy eo amin’ny zezika mba hampiara-mitoetra azy amin’ny olo-manankaja sy hampandova azy sezam-boninahitra. Fa an’NY TOMPO ny andrin’ny tany ary eo amboniny no ametrahany izao tontolo izao. Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa dia hampangininy any amin’ny haizina, satria tsy amin’ny hery no handresen’ny olona. Ho torotoro izay miady amin’NY TOMPO; any an-danitra Izy no hampikotroka hamely azy. NY TOMPO hitsara ny vazan-tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy sady hanandratra ny tandroky ny voahosony. Ary nankany an-tranony tany Rama i Elkana, fa ny zaza kosa dia nanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO teo anatrehan’i Ely mpisorona. Ny zanakalahin’i Ely dia tena ratsy fanahy sady tsy nahalala NY TOMPO. Izao no fanaon’ny mpisorona tamin’ny olona: Rehefa nisy olona namono zavatra hatao fanatitra dia avy ny zatovon’ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tanany, raha mbola ahandroina ny hena, dia natsindrony tao anatin’ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin’ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, koa izay rehetra azon’ny fitrebika tao dia nalain’ny mpisorona ho azy. Izany no fanaony tamin’ny Israely rehetra izay tonga tao Silo. Ary raha tsy mbola nodorana ho fofona ny jabora dia avy ny zatovon’ny mpisorona ka niteny tamin’izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ny mpisorona; fa tsy handray hena masaka avy aminao izy fa manta ihany. Raha hoy ilay olona aminy hoe: Aoka hodorana aloha ny jabora fa avy eo vao halainao izay tianao, dia novaliny hoe: Tsia; fa omeo izao ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany dia halaiko an-keriny. Koa lehibe indrindra ny helok’ireo zatovo ireo teo anatrehan’NY TOMPO satria namingavinga ny fanatitra ho an’NY TOMPO izy ireo. I Samoela dia nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’NY TOMPO. Mbola zaza izy tamin’izany ary nisalotra efoda vita tamin’ny lamba rongony. Nanaovan’ny reniny akanjo kely izy; noentiny ho azy isan-taona isan-taona izany rehefa niara-niakatra tamin’ny vadiny hanolotra ny fanatitra fanao isan-taona izy. Ary nitsodrano an’i Elkana mivady i Ely hoe: Homen’NY TOMPO zaza amin’ity vehivavy ity anie ianao ho solon’ilay voatolotra ho an’NY TOMPO. Dia lasa nody izy mivady. Dia namangy an’i Hana NY TOMPO ka nanana anaka indray izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary nitombo teo anatrehan’NY TOMPO i Samoela zaza. Efa antitra tokoa i Ely, ary reny izay rehetra nataon’ny zanany lahy tamin’ny Israely rehetra sy ny nandriany tamin’ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? Reko amin’ny olona rehetra ny ratsy ataonareo. Tsia, anaka, tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon’NY TOMPO ianareo. Raha misy olona manota amin’olona dia Andriamanitra no hitsara azy; fa raha misy kosa manota amin’NY TOMPO, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin’ny rainy izy ireo satria efa sitraky NY TOMPO ny hahafaty azy ireo. Ary i Samoela zaza dia nitombo ka sady tian’NY TOMPO izy no tian’ny olona koa. Nisy lehilahin’Andriamanitra nankany amin’i Ely ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tsy efa niseho tamin’ny ankohonan-drainao tokoa va Aho raha mbola tany Ejipta tao an-tranon’i Farao izy? Eny, nofidiko tamin’ireo fokon’ny Israely rehetra izy ho mpisoroko mba hanolotra fanatitra eo ambonin’ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, dia nomeko ho an’ny taranaky ny rainao ny fanatitra rehetra aterin’ny Zanak’Israely amin’ny afo. Koa nahoana no hitsakitsahinareo ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko atao ao amin’ny fonenako? Ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy ny tenanareo amin’izay tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra atolotry ny Israely oloko! Koa izany no ilazan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny taranaky ny rainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy NY TOMPO, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ny taranaky ny rainao, koa tsy hisy lehilahy ho tratra antitra amin’ny taranakao. Ary hahita fahavalo ao amin’ny fonenako ianao, na inona na inona soa natao tamin’ny Israely, koa tsy hisy lehilahy ho tratra antitra amin’ny taranakao mandrakizay. Nefa hisy lehilahy iray amin’ny taranakao izay tsy hesoriko eo anilan’ny alitarako mba hahapahina ny masonao sy handany ny ainao, ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony. Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia i Hofinia sy i Finehasa: Andro iray no hahafatesan’izy mirahalahy. Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy izay hanatanteraka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary hampaharitra ny taranany Aho ka handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay izy. Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray sady hiteny hoe: Miangavy anao aho, mba tendreo ho isan’ny mpisorona aho mba hahazoako sombi-mofo hohanina. Nanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO teo anatrehan’i Ely i Samoela zaza. Tamin’izany andro izany dia nahalana ny tenin’NY TOMPO ary tsy nisy fahitana niseho loatra. Indray andro anefa, raha nandry tao amin’ny fandrianany i Ely ary efa nihapahina ny masony tamin’izany ka tsy nahita izy sady tsy mbola maty ny jiron’Andriamanitra, ary i Samoela koa dia nandry tao amin’ny tempolin’NY TOMPO izay nisy ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, dia niantso an’i Samoela NY TOMPO, ary hoy izy hoe: Inty aho. Dia nihazakazaka nankeo amin’i Ely izy ka niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy i Ely: Tsy niantso aho, miverena matory. Dia lasa natory izy. Mbola niantso azy indray NY TOMPO hoe: Ry Samoela! Dia nifoha indray i Samoela ka nankao amin’i Ely ary niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha miverina matory. Mbola tsy nahafantatra NY TOMPO mantsy i Samoela sady tsy mbola nanehoana ny tenin’NY TOMPO. Ary niantso an’i Samoela fanintelony NY TOMPO. Dia nifoha izy ka nankao amin’i Ely ary niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Tamin’izay dia fantatr’i Ely fa NY TOMPO no niantso ny zaza. Koa hoy i Ely tamin’i Samoela: Andeha matory ihany; ary raha toa miantso anao Izy dia valio hoe: Mitenena, TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa natory teo amin’ny fandrianany i Samoela. Ary avy NY TOMPO dia nijoro teo ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly i Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Indro Izaho hanao zavatra eo amin’ny Israely, koa izay rehetra mandre izany dia hangintsina ny sofiny roa. Amin’izany andro izany dia hotanterahiko amin’i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ny taranany; hatomboko izany ka hotanterahiko. Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria nahatonga ozona ho an’ny tenany ny zanany nefa tsy nosakanany. Koa izany no nianianako ny amin’ny taranak’i Ely, fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny heloky ny taranak’i Ely mihitsy, na fanatitra alatsa-dra izany na fanatitra avy amin’ny zavamaniry. Dia natory i Samoela mandra-paharain’ny andro; nony maraina dia namoha ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO izy. Ary natahotra hilaza ny fahitana tamin’i Ely i Samoela. Fa niantso an’i Samoela i Ely ka niteny hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho. Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’NY TOMPO taminao? Miangavy anao aho, aza afeninao ahy; hataon’Andriamanitra aminao anie izany; eny, mihoatra noho izany aza, raha misy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao. Dia nambaran’i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra fa tsy nisy nafeniny. Dia hoy i Ely: Izy no TOMPO, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony. Ary nitombo i Samoela sady nomba azy NY TOMPO ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny. Ny Israely rehetra koa, hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba, dia nahalala fa tonga mpaminanin’NY TOMPO tokoa i Samoela. Dia mbola niseho tao Silo ihany NY TOMPO, satria niseho tamin’i Samoela tao Silo tamin’ny alalan’ny teniny NY TOMPO. Araka izany dia ho an’ny Israely rehetra ny tenin’i Samoela. Dia nandeha hiady tamin’ny Filistina ny Israely ka nitoby teo anilan’i Ebenezera; fa ny Filistina kosa dia nitoby tany Afeka. Ary nilahatra hiady amin’ny Israely ny Filistina, koa nony raikitra ny ady dia resin’ny Filistina ny Israely ary nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha. Rehefa tonga tany an-toby ny olona dia hoy ny loholon’ny Israely: Nahoana no namely antsika teo anoloan’ny Filistina NY TOMPO androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, fa rehefa tonga eto amintsika izany dia hamonjy antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika. Dia nandefa iraka nankany Silo ny olona mba haka ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay mipetraka amin’ny kerobima. Ary tao Silo, teo amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa. Rehefa tonga teo an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nihoby mafy ny Zanak’Israely rehetra ka nihorohoro ny tany. Rehefa ren’ny Filistina ny hoby dia hoy izy: Inona re izany hoby mafy any an-tobin’ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO. Dia raiki-tahotra ny Filistina ka niteny hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Nahita loza isika! Tsy mbola nisy toy izao. Nahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin’ny tanan’ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Ejiptiana tamin’ny kapoka rehetra tany an-tany efitra. Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo tahaka ny nanompoany anareo ianareo; misehoa ho lehilahy ianareo ka miadia. Dia niady ny Filistina ka resy ny Israely; ary samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra. Be dia be no maty ka lehilahy telo alina mpandeha an-tongotra tamin’ny Israely no niampatrampatra. Dia lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa. Nisy lehilahy benjaminita iray nihazakazaka avy tany amin’ny miaramila ka tonga tao Silo androtr’izay ihany; rovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany. Rehefa tonga izy, indro nipetraka teo amin’ny sezany i Ely sady nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Nony tonga tao an-tanàna Ralehilahy dia nitantara ka nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra. Rehefa ren’i Ely ny feo midradradradra dia hoy izy: Inona izao tabataba izao? Ary nanatona haingana Ralehilahy ka nanambara tamin’i Ely. Efa valo amby sivifolo taona i Ely tamin’izay sady efa pahina ny masony ka tsy nahita izy. Hoy Ralehilahy tamin’i Ely: Izaho dia avy tany an-tafika; vao androany no nandosirako niala tamin’ny miaramila. Ary hoy i Ely: Nanao ahoana ny tany, anaka? Dia namaly ilay nitondra teny hoe: Nandositra teo anoloan’ny Filistina ny Israely ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, i Hofinia sy i Finehasa, dia maty koa, sady lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Nony nilaza ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy dia lavo nitsilany niala tamin’ny sezany teo anilan’ny vavahady i Ely; folaka ny vozony ka maty izy, satria efa antitra sady mavesatra rahateo. Izy dia nitsara ny Israely nandritra ny efapolo taona. Ary ny vinantovaviny, vadin’i Finehasa, dia nanana anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka. Rehefa nadiva hiala aina izy dia niteny taminy ireo vehivavy nitsangana teo anilany hoe: Aza matahotra, fa tera-dahy ianao. Nefa tsy namaly na nihaino izany izy. Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Israely, satria efa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny. Ary hoy izy: Afaka tamin’ny Israely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Dia nalain’ny Filistina ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ka noentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda. Nony azon’ny Filistina ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia noentiny tao an-tranon’i Dagona ka napetrany teo anilany. Nony ampitson’iny dia nifoha vao maraina ny Asdodita ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; dia narenin’ny olona izy ka naveriny teo amin’ny fitoerany indray. Ny ampitson’iny indray dia nifoha vao maraina ny olona ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany indray, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, ary tapaka teo amin’ny tokonam-baravarana ny lohan’i Dagona sy ny felatanany roa, fa ny tenabeny ihany no sisa. Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran’i Dagona ao Asdoda, mandraka androany. Nitambesatra tamin’ny Asdodita ny tanan’NY TOMPO, fa nandringana azy Izy; nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tany amin’ny taniny rehetra. Rehefa hitan’ny mponina tao Asdoda fa izany no zava-nitranga dia hoy izy: Aoka tsy hitoetra eto amintsika intsony ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, fa mitambesatra amintsika sy amin’i Dagona andriamanitsika ny tanany. Dia nandefa iraka izy hanangona ireo andrianan’ny Filistina rehetra hankeo aminy hiteny hoe: Hataontsika ahoana ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely. Dia nafindrany ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely. Rehefa voafindra anefa ny vata misy ny Fanekena dia namely ny tanàna ny tanan’NY TOMPO ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra tamin’izy ireo. Dia naterin’ny olona nankany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia nitaraina ny Ekronita hoe: Nafindran’ny olona ho atỳ amintsika ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika. Dia nandefa iraka izy hanangona ireo mpitondra rehetra tamin’ny Filistina ka hiteny hoe: Alefaso hiala eto ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, ary aoka haverina any amin’ny toerany izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika. Nanerana ny tanàna mantsy ny horohoron’ny fahafatesana, satria navesatra tao tokoa ny tanan’Andriamanitra. Ny olona izay tsy maty dia voan’ny vay, ary niakatra ho any an-danitra ny fitarainan’ny tao an-tanàna. Efa nisy fito volana no tany amin’ny Filistina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka nampiantso ny mpisorona sy ny mpisikidy ny Filistina ary niteny hoe: Hataontsika ahoana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO? Lazao aminay izay fomba hanateranay azy ho any amin’ny toerany. Hoy ireo: Raha averinareo ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely dia aza averina foana, fa manolora fanati-panonerana ho Azy ianareo mba ho sitrana, ary ho fantatrareo koa ny tsy nialan’ny tanany taminareo. Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Hoy ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ireo andrianan’ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo. Koa manaova sarin’ny vainareo sy sarin’ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Israely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy. Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafisan’ny Ejiptiana sy i Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy ireo Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona ka lasa? Koa ankehitriny manaova sarety vaovao, ary makà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin’ny sarety ny ombivavy ka ento miverina any an-tranony ny zanany hisaraka aminy. Ary alaivo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka apetraho eo ambonin’ny sarety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ireo sary volamena hatolotrareo ho Azy ho fanati-panonerana. Ary avelao izany handeha. Dia jereo, fa raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny taniny ho any Bety-Semesy izany dia NY TOMPO no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; raha tsy izany kosa dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely fa kisendrasendra no nahavoa antsika. Dia nataon’ny olona izany ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin’ny sarety ireo, fa narindriny tao an-trano ny zanany. Napetrany teo ambonin’ny sarety ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin’ny vay, dia nizotra mahitsy tamin’ny lalana mankany Bety-Semesy ny ombivavy; lalambe tokana no nandehanany, sady nitrena teny am-pandehanana izy ireo no tsy nivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, ary nanaraka azy hatrany amin’ny sisintanin’i Bety-Semesy ireo andrianan’ny Filistina. Ary nijinja varimbazaha teny an-dohasaha ny mponina tao Bety-Semesy, koa raha nanopy ny masony izy dia nahatsinjo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ary faly nahita izany. Dia tonga teo an-tanimbarin’i Josoa bety-semesita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo ka namaky ny hazon’ny sarety ny olona ary nanolotra ny ombivavy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO. Ary ny levita dia nampidina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran’ireo sary volamena ka nametraka azy teo ambonin’ny vato lehibe. Tamin’izany andro izany, ny mponina tao Bety-Semesy dia nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’NY TOMPO. Rehefa hitan’ireo andriana dimy tamin’ny Filistina izany dia niverina nankany Ekrona androtr’izay ihany izy ireo. Ireto ny sary vay volamena natolotry ny Filistina ho fanati-panonerana ho an’NY TOMPO: Iray ho an’i Asdoda, iray ho an’i Gaza, iray ho an’i Askelona, iray ho an’i Gata ary iray ho an’i Ekrona; ny totozy volamena dia araka ny isan’ny tanàna rehetra an’ny Filistina, izay an’ireo andriana dimy, an’ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy mimanda, ka hatramin’ny vato lehibe izay nametrahany ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary mbola any an-tanimbarin’i Josoa bety-semesita mandraka androany izany. Ary NY TOMPO namely ny mponina tao Bety-Semesy noho ny nijerijeren’ireo ny vata misy ny fanekeny, koa olona fitopolo tamin’ny dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian’NY TOMPO ka be dia be no maty. Ary hoy ny mponina tao Bety-Semesy: Iza no mahajanona eo anoloan’izao TOMPO Andriamanitra masina izao? Ho amin’iza no hiakarany rehefa miala amintsika? Dia nandefa iraka nankany amin’ny mponina tao Kiriata-Jearima izy hilaza hoe: Efa naverin’ny Filistina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; koa midìna ianareo dia ento miakatra ho any aminareo izy. Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-Jearima ka nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO niakatra; nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadaba, teo amin’ny havoana izy ireo, ary nanamasina an’i Eleazara zanany mba hitandrina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO. Hatramin’izany andro izany dia nitoetra ela, roapolo taona, tany Kiriata-Jearima ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary ny taranak’Israely rehetra dia nitaraina tamin’NY TOMPO. Dia hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely rehetra: Raha miverina amin’NY TOMPO amin’ny fonareo manontolo tokoa ary ianareo dia ario hiala aminareo ny andriamanitra tsy izy sy ireo Astarta ka ampiomany ho an’NY TOMPO ny fonareo, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny Filistina Izy. Dia nanary ireo Baala sy ireo Astarta ny Zanak’Israely ka nanompo NY TOMPO irery ihany. Ary hoy i Samoela: Vorio any Mizpa ny Israely rehetra, dia hivavaka amin’NY TOMPO ho anareo aho. Dia nivory tany Mizpa izy, ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’NY TOMPO sady nifady hanina nandritra io andro io ka niteny hoe: Efa nanota tamin’NY TOMPO isika. Ary nitsara ny Zanak’Israely tany Mizpa i Samoela. Rehefa ren’ny Filistina fa vory tany Mizpa ny Zanak’Israely dia niakatra hamely azy ireo andrianan’ny Filistina. Nony nandre izany ny Zanak’Israely dia raiki-tahotra noho ny Filistina. Dia hoy ny Zanak’Israely tamin’i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’NY TOMPO Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin’ny tanan’ny Filistina. Dia naka zanak’ondry iray mbola minono i Samoela ka nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO; ary nitaraina tamin’NY TOMPO ho an’ny Israely i Samoela ka nihaino azy NY TOMPO. Raha mbola nanolotra ny fanatitra dorana manontolo i Samoela dia nanatona hiady amin’ny Israely ny Filistina; fa NY TOMPO nampikotrokorana mafy tamin’ny Filistina tamin’izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ny Israely izy. Ary niala tany Mizpa ny lehilahin’ny Israely ka nanenjika ny Filistina ary namely azy mandra-pahatongany teo ambanin’i Bety-Kara. Ary naka vato i Samoela ka nanorina azy teo anelanelan’i Mizpa sy Sena; ny anarany dia nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’NY TOMPO isika hatramin’izao. Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra tao anatin’ny tanin’ny Israely intsony; ary ny tanan’NY TOMPO dia namely ny Filistina nandritra ny andro rehetra niainan’i Samoela. Ny tanàna izay efa nalain’ny Filistina tamin’ny Israely dia azon’ny Israely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny tanin’izy ireo dia nalain’ny Israely tamin’ny tanan’ny Filistina koa. Ary nihavana ny Israely sy ny Amorita. Ary nitsara ny Israely i Samoela tamin’ny andro rehetra niainany. Nandeha isan-taona isan-taona nitety an’i Betela sy i Gilgala ary i Mizpa izy ka nitsara ny Israely teo amin’ireo tanàna rehetra ireo. Niverina ho any Rama indray izy avy eo, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Israely sy nanorina alitara ho an’NY TOMPO tao izy. Rehefa antitra i Samoela dia ny zanany no nataony mpitsara ny Israely. Joela no anaran’ny lahimatoany, ary Abia kosa no anaran’ny faralahiny; mpitsara tany Bery-Sheba izy ireo. Tsy nanaraka ny dian’ny rainy anefa ny zanany fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra. Ary nivory tao Rama ny loholon’ny Israely rehetra mba ho any amin’i Samoela ka niteny taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao dia tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka mba hitsara anay, tahaka ny firenena hafa rehetra. Tsy sitrak’i Samoela anefa ny nitenenan’ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’NY TOMPO i Samoela. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ny olona amin’izay rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamanitra hafa, dia toy izany koa no ataony aminao. Ary ankehitriny, henoy ihany ny feony, kanefa lazao marina aminy ka ambarao aminy ny ho fanaon’ny mpanjaka izay hanjaka aminy. Dia nambaran’i Samoela tamin’ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO. Hoy izy: Izao no ho fahefan’ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ny kalesy fitondrany miady sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny; hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimampolo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hamboatra ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesy fitondrany miady izy; ny zanakareo vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo; ny tsara indrindra amin’ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’olivanareo dia halainy ka homeny ny mpanompony; ny ampahafolon’ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ny tandapany sy ny mpanompony; ny mpanompolahinareo, ny mpanompovavinareo, ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany. Halainy koa ny ampahafolon’ny ondry aman’osinareo; ary ny tenanareo dia ho tonga mpanompony. Dia hitaraina ianareo amin’izany andro izany noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, nefa tsy hamaly anareo NY TOMPO amin’izany andro izany. Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay, mba ho tahaka ny firenena hafa rehetra koa izahay ka ny mpanjakanay no hitondra anay sy handeha eo alohanay ary hitarika ny adinay. Dia ren’i Samoela ny teny rehetra nolazain’ny olona ka nolazainy teo anatrehan’NY TOMPO. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy i Samoela tamin’ny lehilahin’ny Israely: Samia ary mandeha ho any amin’ny tanànanareo avy ianareo rehetra. Nisy lehilahy avy amin’ny Benjamina, antsoina hoe Kisy, zanak’i Abiela, zanak’i Zerora, zanak’i Bekorata, zanak’i Afia, benjaminita sady mpiady mahery fo. Nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny Zanak’Israely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony noho miakatra ny halavany. Very ny borikivavin’i Kisy, rain’i Saoly ka hoy i Kisy tamin’i Saoly zanany: Mitondrà zatovo iray hanaraka anao, dia miaingà ka mandehana hitady ny boriky. Dia nandeha namakivaky ny tany be havoana any Efraima izy ka namakivaky ny tany Salisa, nefa tsy nahita; nandeha namakivaky ny tany Salima indray izy avy eo, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namakivaky ny tanin’ny Benjamina izy, nefa mbola tsy nahita ihany. Nony tonga teo amin’ny tany Zofa izy ireo dia hoy i Saoly tamin’ny zatovony izay nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no hampanahy an’Ikaky fa tsy ny boriky intsony. Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin’Andriamanitra amin’iroa tanàna iroa; lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika. Dia hoy i Saoly tamin’ny zatovony: Indro, raha mankany isika, inona moa no hoentintsika ho an-dRalehilahy? Efa lany ny mofo rehetra tao amin’ny kitapontsika ary tsy misy zavatra hoentintsika ho an’ny lehilahin’Andriamanitra; koa inona moa no misy atỳ amintsika? Dia namaly an’i Saoly indray ilay zatovo hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekela; homeko ny lehilahin’Andriamanitra izany mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika. Fahiny mantsy teo amin’ny Israely, rehefa nisy olona nandeha hanontany amin’Andriamanitra dia izao no fanaony: Andeha ho any amin’ny mpahita isika; izay atao hoe mpaminany ankehitriny no nantsoina hoe mpahita tany aloha. Dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Tsara izany fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin’ny tanàna nitoeran’ilay lehilahin’Andriamanitra. Raha mbola teo am-piakarana hiditra ao an-tanàna izy roa lahy dia nahita zazavavy nivoaka hantsaka ka hoy izy ireo taminy: Ao ihany va ny mpahita? Dia namaly azy izy ireo hoe: Ao ihany izy; indro, ao alohanao ao izy; mandehana haingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izay, satria misy fanatitra hataon’ny vahoaka any amin’ny toerana fanaovana sorona anio; koa raha vao miditra ao an-tanàna ianareo dia ho hitanareo izy raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin’ny toerana fanaovana sorona; fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, satria izy no manao fisaorana amin’ny fanatitra; koa rehefa afaka izany dia izay vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny fa amin’izao no hahitanareo azy. Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy, ary nony tonga tao izy ireo dia indro, nifanena taminy teo am-piakarana ho any amin’ny toerana fanaovana sorona i Samoela. Ary NY TOMPO efa nanambara tamin’i Samoela ny omalin’ny andro nahatongavan’i Saoly hoe: Rahampitso toy izao dia hirahiko ho atỳ aminao ny lehilahy iray avy amin’ny tanin’ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Israely oloko izy ka hamonjy azy amin’ny tanan’ny Filistina; fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa tonga atỳ amiko ny fitarainany. Nony hitan’i Samoela i Saoly dia hoy NY TOMPO taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hitondra ny oloko. Dia nanatona an’i Samoela tao anatin’ny vavahady i Saoly ka niteny hoe: Miangavy anao aho, atoroy ahy ny tranon’ny mpahita. Ary namaly an’i Saoly i Samoela hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ny toerana fanaovana sorona; fa hiara-misakafo amiko ianareo anio, ary raha maraina dia havelako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra manahirana anao. Aza malahelo ny amin’ny borikinao izay efa very hateloana fa efa hita ireny; ary ho an’iza ny zava-tsoa rehetra eo amin’ny Israely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va? Dia namaly i Saoly hoe: Tsy benjaminita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny fokon’Israely? Ary tsy ny fianakaviako va no kely indrindra amin’ny fianakavian’ny fokon’i Benjamina rehetra? Koa nahoana no miteny amiko toy izany ianao? Ary nitondra an’i Saoly sy ny zatovony i Samoela ka nampiditra azy tao amin’ny efitrano iray sady nanome azy ireo ny toerana aloha teo amin’izay nasaina; olona telopolo eo ho eo izy ireo. Hoy i Samoela tamin’ny mpahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe: Tehirizo ity. Dia nalain’ny mpahandro ny feny sy izay eo amboniny ka napetrany teo anoloan’i Saoly, ary hoy i Samoela: Indro, izay efa natokana dia voaroso eto anoloanao ka hano; fa ho amin’izao fotoana izao no nitahirizana izany ho anao hatramin’izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Niara-nihinana tamin’i Samoela i Saoly tamin’io andro io. Nony nidina avy tao amin’ny toerana fanaovana sorona hankany an-tanàna izy roa lahy dia niresaka tamin’i Saoly teo an- tampon-trano i Samoela. Ary nifoha vao maraina izy ireo; koa nony nazava ratsy ny andro dia niantso an’i Saoly teo an- tampon-trano i Samoela sady niteny hoe: Mitsangàna fa hanatitra anao aho. Dia nitsangana i Saoly ka nivoaka ho any alatrano izy roa lahy, dia izy sy i Samoela. Nony nidina teo amin’ny sisin’ny tanàna izy ireo dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo. Dia lasa nandeha izy. Fa mijanòna kely ianao mba hampihainoiko ny tenin’Andriamanitra. Ary nandray tavoara feno diloilo i Samoela ka nanidina izany teo an-dohan’i Saoly sady nanoroka azy ary niteny hoe: Tsy nanosotra anao mba ho mpanapaka ny lovany va NY TOMPO? Rehefa misaraka amiko ianao anio dia hahita olona roa lahy eo anilan’ny fasan’i Rahely, ao amin’ny faritry ny tanin’ny Benjamina, ao Zelza, ary hilaza aminao izy ireo hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ny rainao fa ianareo kosa indray no mampanahy azy ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ny zanako? Handroso hiala avy eo ianao ka ho tonga eo amin’ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ny olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela, ny iray dia mitondra zanak’osy telo, ny iray dia mitondra mofo telo ary ny iray dia mitondra divay eran’ny siny hoditra; ary hiarahaba anao ireo sady hanome anao mofo roa, dia horaisinao avy amin’ny tanany izany. Aorianan’izay dia ho tonga any Gibean’Andriamanitra izay misy tobin’ny miaramilan’ny Filistina ianao; rehefa tonga ao an-tanàna ianao dia hifanena amin’ny mpaminany maro iray dia, midina avy ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mitondra lokanga sy ampongatapaka ary sodina sy valiha eo alohany, dia haminany ireo. Ary ho tonga aminao ny Fanahin’NY TOMPO ka hiaraka haminany aminy ianao dia ho voaova ho olom-baovao. Rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo dia ataovy izay azon’ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. Hidina eo alohako ho any Gilgala ianao, ary indro, hidina ho any aminao aho mba hanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Koa hafitoana no hiandrasanao mandra-pahatongako eo aminao, dia holazaiko anao izay hataonao. Raha vao nihodina niala teo amin’i Samoela i Saoly dia nomen’Andriamanitra fo vaovao; ary tanteraka avokoa, tamin’io andro io ihany, ireo famantarana rehetra ireo. Rehefa tonga tany Gibea izy dia indro, nisy mpaminany maro iray dia, nifanena taminy; ary tonga tamin’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra ka naminany teo anivon’ireo izy. Nony hitan’izay rehetra nahafantatra azy talohan’io fa indro, maminany miaraka amin’ny mpaminany izy dia nifampilaza ny olona hoe: Inona izao tonga amin’ny zanak’i Kisy izao? I Saoly koa va mba isan’ny mpaminany? Ary hoy koa ny iray tamin’izy ireo: Fa iza moa no rain’ireny? Izany no nisehoan’ny fitenenana hoe: I Saoly koa va mba isan’ny mpaminany? Rehefa nitsahatra naminany i Saoly dia nankeo amin’ny toerana fanaovana sorona. Hoy ny rahalahin-drain’i Saoly taminy sy tamin’ny mpanompony: Taiza no nalehanareo? Ary hoy ny navaliny: Nitady ny boriky izahay. Nony tsy hitanay dia nankany amin’i Samoela izahay. Hoy ny rahalahin-drain’i Saoly: Miangavy anao aho, lazao amiko izay nolazain’i Samoela taminao. Dia hoy i Saoly tamin’ny rahalahin-drainy: Nambarany taminay tokoa fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’i Samoela ny amin’ny fanjakana dia tsy mba nambarany taminy. Ary namory ny vahoaka ho any amin’NY TOMPO any Mizpa i Samoela ka niteny tamin’ny Zanak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho no nitondra ny Israely niakatra avy tany Ejipta ka namonjy anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptiana sy tamin’ny tanan’ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo. Nefa ianareo kosa androany dia nandà an’Andriamanitrareo izay mamonjy anareo amin’ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra, satria hoy ianareo Taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijoroa eo anatrehan’NY TOMPO araka ny fokonareo sy ny fianakavianareo avy. Dia nampanatona ny foko rehetra teo amin’ny Israely i Samoela ka ny fokon’i Benjamina no voatendry. Ary nampanatona ny fokon’i Benjamina araka ny antokony avy izy ka ny antokon’i Matrita no voatendry. Dia voatendry i Saoly, zanak’i Kisy; kanefa rehefa nitady azy ny olona dia tsy nahita azy. Dia nanontany tamin’NY TOMPO indray ny olona, na mba efa tonga ao Ralehilahy, na tsia. Hoy NY TOMPO: Indro, miery ao amin’ny entana izy. Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan’ny olona izy dia hita fa nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony noho miakatra ny halavany. Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’NY TOMPO? Tsy misy tahaka azy eo amin’ny vahoaka rehetra! Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ary nilaza tamin’ny olona izay satan’ny fanjakana i Samoela, dia nosoratany tamin’ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’NY TOMPO. Ary samy nalefan’i Samoela hody any an-tranony avy ny vahoaka rehetra. Dia mba nandeha nody tany Gibea koa i Saoly, ary nomba azy ny olona maro izay nokasihin’Andriamanitra ny fony. Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy niteny hoe: Hataon’io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimbazimba an’i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nangina anefa i Saoly. Ary niakatra i Nahasy amonita ka nitoby tandrifin’i Jabesy-Gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay. Fa hoy i Nahasy amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: Hopotsirina ny masonareo havanana rehetra ka hataoko fandatsana ny Israely rehetra izany. Nefa hoy ny loholon’i Jabesy taminy: Omeo hafitoana izahay mba hanirahanay olona ho any amin’ny tanin’ny Israely rehetra, koa raha toa tsy misy olona hamonjy anay dia handeha hanatona anao izahay. Dia tonga tany Gibean’i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan’ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany. Ary indro, tonga avy tany an-tsaha i Saoly, sady nandroaka omby no niteny hoe: Inona izato manjo ny olona no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ny mponina tao Jabesy. Dia tonga tamin’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra teo am-pandrenesana izany teny izany ka nirehitra mafy ny hatezerany. Dia naka omby roa izy ka norasainy ireo ary nampitondrainy ny iraka ho any amin’ny faritry ny tanin’ny Israely rehetra ka hoy izy: Na iza na iza no tsy mandeha hanaraka an’i Saoly sy i Samoela dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana NY TOMPO ka nandeha toy ny olona iray izy. Ary nandamina azy tany Bezeka i Saoly. Telo hetsy no isan’ny Zanak’Israely ary telo alina no isan’ny lehilahin’ny Joda. Hoy i Saoly tamin’ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ny mponina ao Jabesy-Gileada: Rahampitso, rehefa mafampana iny ny andro dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ny mponina tao Jabesy, dia faly ireo. Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo ka hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo. Nony maraina dia nozarain’i Saoly ho telo toko ny olona ka tonga teo amin’ny toby izy ireo tamin’ny fotoam-piambenana maraina, ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ny andro. Izay sisa kosa dia niely patrana ka tsy nisy na dia olona roa aza tafaraka. Hoy ny vahoaka tamin’i Samoela: Iza moa no niteny hoe: I Saoly va no hanjaka aminay? Atolory anay ireny olona ireny hovonoinay ho faty. Nefa hoy i Saoly: Tsy hisy olona hovonoina ho faty anio; fa androany no nanaovan’NY TOMPO famonjena teo amin’ny Israely. Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanamafy ny fanjakana any. Dia lasa nankany Gilgala ny vahoaka manontolo, ary tany Gilgala no nananganany an’i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’NY TOMPO; tany koa no nanolorany fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO, dia nifaly indrindra teo i Saoly mbamin’ny lehilahin’ny Israely rehetra. Hoy i Samoela tamin’ny Israely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin’izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo. Koa ankehitriny, indro, ny mpanjaka no handeha eo anatrehanareo; fa efa antitra sy fotsy volo aho; ary indreo, eo aminareo ny zanako; efa nandeha teo anatrehanareo aho hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany. Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’NY TOMPO sy ny olom-boahosony: Ombin’iza moa no nalaiko? Borikin’iza no nalaiko? An’iza no nanaovako an-keriny? Iza no nampahoriko? Teo an-tanan’iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? Fa honerako aminareo izany. Hoy ireo: Tsy nanao an-keriny taminay ianao, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tanan’olona na dia iray akory aza. Dia hoy i Samoela taminy: Vavolombelona aminareo NY TOMPO anio, ary vavolombelona koa ny olom-boahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy. Dia hoy i Samoela tamin’ny olona: NY TOMPO no nanendry an’i Mosesy sy Arona ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta. Koa ankehitriny, avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan’NY TOMPO aho ny amin’ny asa marina rehetra izay nataon’NY TOMPO taminareo sy ny razanareo. Rehefa tonga tany Ejipta i Jakoba ka nitaraina tamin’NY TOMPO ny razanareo dia naniraka an’i Mosesy sy i Arona NY TOMPO, koa ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Ejipta ary namponina azy teto amin’ity tany ity. Nefa rehefa nanadino an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy dia namidiny ho eo an-tanan’i Sisera, komandin’ny miaramilan’i Hazora sy ho eo an-tanan’ny Filistina ary ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Moaba ka niadian’ireo. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy hoe: Efa nanota izahay satria efa nahafoy NY TOMPO ka nanompo ireo Baala sy ireo Astarta, nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny tanan’ny fahavalonay izahay dia hanompo Anao. Ary NY TOMPO naniraka an’i Jerobaala sy i Bedana sy i Jefta ary i Samoela ka namonjy anareo tamin’ny tanan’ny fahavalonareo manodidina Izy dia nandry fehizay ianareo. Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo i Nahasy, mpanjakan’ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa NY TOMPO Andriamanitrareo no mpanjakanareo. Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; indro NY TOMPO no nanome mpanjaka hanjaka aminareo. Enga anie ka hatahotra NY TOMPO sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ianareo ka tsy handa ny didiny fa samy hanaraka NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo. Raha tsy mihaino ny tenin’NY TOMPO kosa ianareo fa mandà ny didiny dia hamely anareo ny tanan’NY TOMPO, tahaka ny namelezany ny razanareo. Koa mitsangàna ankehitriny ka jereo izao zavatra lehibe hataon’NY TOMPO eto imasonareo izao: Moa tsy taom-pijinjana varimbazaha va izao? Hiantso NY TOMPO aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’NY TOMPO, satria nangataka mpanjaka ianareo. Dia niantso NY TOMPO i Samoela, ary NY TOMPO nahatonga kotrokorana sy orana tamin’io andro io ihany; ary natahotra indrindra NY TOMPO sy i Samoela ny vahoaka rehetra. Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’i Samoela: Mifonà amin’NY TOMPO Andriamanitrao ho an’ny mpanomponao mba tsy ho faty izahay! Fa efa nanao izao ratsy izao izahay ho fanampin’ny fahotanay rehetra, noho ny nangatahanay mpanjaka. Hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily hiala amin’NY TOMPO fa manompoa Azy amin’ny fonareo manontolo. Eny, aza mivily, fandrao hanaraka ireo zava-poana izay tsy mahasoa na mahavonjy ianareo, fa zava-poana ireo. Fa NY TOMPO tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitraky NY TOMPO ny nanaovany anareo ho olony. Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’NY TOMPO aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy aho. Kanefa matahora NY TOMPO ianareo ka manompoa Azy marina amin’ny fonareo manontolo; ary eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao. Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo. Telopolo taona i Saoly raha nanomboka nanjaka; ary roa taona no nanjakany tamin’ny Israely. Nifantina telo arivo lahy tamin’ny Israely i Saoly, koa ny roa arivo lahy dia niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela, ary ny arivo lahy niaraka tamin’i Jonatana tany Gibean’i Benjamina; ny olona sisa kosa samy nalefany hody any an-dainy avy. Dia namely ny miaramilan’ny Filistina izay tany Geba i Jonatana ka ren’ny Filistina izany. Ary nampitsoka anjomara teny amin’ny tany rehetra i Saoly ka niteny hoe: Aoka handre ny Hebreo! Dia ren’ny Israely rehetra fa namely ny miaramilan’ny Filistina i Saoly, hany ka halan’ny Filistina ny Israely. Dia nivory hanaraka an’i Saoly ho any Gilgala ny olona. Filistina telo alina an-kalesy fitondra miady sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina no nivory hiady tamin’ny Israely; ary nandeha izy ireo ka nitoby tany Mikmasy, any atsinanan’i Bety-Avena. Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely fa latsaka an-katerena izy, satria nijaly mafy ny olona, dia niery tany amin’ny zohy sy tany amin’ny kirihitrala, tany amin’ny harambato sy tany amin’ny fierena ary tany amin’ny lavaka famorian-drano izy ireo. Ny Hebreo sasany kosa dia lasa nita an’i Jordana nankany amin’ny tanin’i Gada sy i Gileada. Fa mbola tany Gilgala ihany i Saoly ary ny vahoaka rehetra dia nanaraka azy sady toran-kovitra be ihany. Dia niandry hafitoana izy araka ny fotoana nomen’i Samoela; nefa tsy mbola tonga tany Gilgala ihany i Samoela ka niely ny olona. Ary hoy i Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana; dia nanolotra ny fanatitra dorana manontolo izy. Rehefa vita ny fanolorany ny fanatitra dorana manontolo dia indro, tamy i Samoela, ary nivoaka hitsena azy i Saoly mba hiarahaba azy. Dia hoy i Samoela: Inona no nataonao? Hoy i Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona sady tsy tonga tamin’ny fotoana ianao ary efa tafangona tany Mikmasy ny Filistina, dia hoy aho: Hidina amin’izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala nefa tsy mbola nanao fifonana tamin’NY TOMPO aho, dia nahatsiaro voatery nanolotra ny fanatitra dorana manontolo aho. Hoy i Samoela tamin’i Saoly: Nanao hadalana ianao; tsy nitandrina ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy nanao izany ianao dia ho nampitoetra ny fanjakanao ho mandrakizay eo amin’ny Israely NY TOMPO. Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; NY TOMPO efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izy no voatendrin’NY TOMPO ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’NY TOMPO anao ianao. Dia nitsangana i Samoela ka niakatra avy tany Gilgala hankany Gibean’i Benjamina. Ary nandamina ny olona izay teo aminy i Saoly, tokony ho eninjato lahy izy ireo. Raha mbola nitoetra tany Gibean’i Benjamina i Saoly sy i Jonatana zanany ary ny vahoaka teo amin’izy roa lahy dia nitoby tany Mikmasy kosa ny Filistina. Dia nivoaka avy teo amin’ny tobin’ny Filistina ny mpandrava ka nizara ho antoko telo: Ny antoko iray dia nizotra tamin’ny lalana mankany Ofra ho any amin’ny tany Sohala; ny iray dia nizotra ho any amin’ny lalana mankany Bety-Horona; ary ny iray kosa dia nizotra ho any amin’ny lalana mankany amin’ny sisintany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin’ny tany efitra. Ary teny amin’ny tanin’ny Israely rehetra dia tsy nisy mpanefy; satria hoy ny Filistina: Mba tsy hanefy sabatra na lefona anie ny Hebreo! Dia samy nidina ho any amin’ny Filistina ny Israely rehetra mba handranitra ny angadiny, ny fiasàny vy, ny famakiny ary ny lelan’angadinombiny. Ny saran’ny fandranitany ny angady, ny fiasana vy, ny telorantsana, ny famaky ary ny fanitsiana ny fanindronan’omby dia roa ampahatelon’ny sekela. Koa tamin’ny fotoana niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tanan’ny vahoaka rehetra izay niaraka tamin’i Saoly sy i Jonatana; fa i Saoly sy i Jonatana zanany ihany no nanana. Ary nisy andia-miaramilan’ny Filistina nivoaka ho ao amin’ny hadilanana mankany Mikmasy. Indray andro dia hoy i Jonatana zanak’i Saoly tamin’ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankeny amin’ny miaramilan’ny Filistina izay erỳ ampita erỳ. Tsy nilaza izany tamin’ny rainy anefa izy. Ary nitoetra tany an-tsisin’i Gibea teo ambanin’ilay hazo ampongabendanitra any Migrona i Saoly; ny olona niaraka taminy dia tokony ho eninjato lahy. Teo koa i Ahia izay nisalotra ny efoda; izy dia zanak’i Ahitoba, rahalahin’i Ikaboda, zanak’i Finehasa, zanak’i Ely, mpisoron’NY TOMPO tany Silo. Ary tsy fantatry ny olona fa lasa i Jonatana. Ary teo an-daniny roa, teo antenantenan’ny hadilanana izay nitadiavan’i Jonatana hankanesana any amin’ny miaramilan’ny Filistina, dia nisy harambato marani-doha. Ny anaran’ny iray dia Bozeza, ary ny anaran’ny iray kosa i Sene. Ny iray amin’ireo harambato ireo dia nanerinerina teo an-daniny avaratra manandrify an’i Mikmasy, ary ny iray kosa dia teo atsimo manandrify an’i Gibea. Hoy i Jonatana tamin’ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ny miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika NY TOMPO satria tsy misy mahasakana NY TOMPO tsy hamonjy, na amin’ny maro, na amin’ny vitsy. Hoy ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; aza misalasala; indro, hanaraka anao aho araka izay sitraponao. Hoy i Jonatana: Indro, handroso ho amin’ireo olona ireo isika ka hiseho aminy. Raha hoy izy ireo: Andraso eo mandra-pahatonganay any aminareo, dia hijanona eo amin’izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy. Fa raha hoy kosa izy ireo: Miakara etỳ aminay dia hiakatra isika, satria efa natolotry NY TOMPO eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika. Dia niseho tamin’ny miaramilan’ny Filistina izy roa lahy ka hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any amin’ny lavaka niereny. Ary hoy ny miaramila tamin’i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy i Jonatana tamin’ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotry NY TOMPO eo an-tanan’ny Israely izy ireo. Dia nananika, nandady tongotra aman-tanana i Jonatana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan’i Jonatana ny Filistina ary namono avy ao aorianany koa ny mpitondra ny fiadiany. Tokony ho roapolo lahy no matiny aloha, dia ireo izay novonoin’i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin’ny velaran-tany tokony ho antsasaky ny vavaasa vita amin’ny angadinomby indray andro. Koa nisy horohoro tao amin’ny toby sy tany an-tsaha sy tamin’ny vahoaka rehetra; ary ireo izay teo amin’ny miaramila sy ny holafitra mpandrava dia nangovitra koa; ary nihorohoro ny tany ka nisy fampangovitana avy tamin’Andriamanitra. Ny mpitilin’i Saoly tao Gibean’i Benjamina dia nitazana ka indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany. Dia hoy i Saoly tamin’ny olona teo aminy: Alaharo ny olona ka jereo izay niala tamintsika. Nony voalahatra ny olona dia hita fa i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo. Hoy koa i Saoly tamin’i Ahia: Ento etỳ ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; fa teo amin’ny Zanak’Israely ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’izany andro izany. Ary raha mbola niresaka tamin’ny mpisorona i Saoly dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin’ny Filistina ka hoy i Saoly tamin’ny mpisorona: Esory ny tananao. Ary nivory i Saoly sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy ka tonga tany amin’ny ady, ary indreo ny Filistina nifamely tamin’ny sabany, dia izy samy izy, koa nifanaritaka be ihany. Ny Hebreo izay niaraka tamin’ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy avy tamin’ny tany manodidina ho any an-toby dia nikambana tamin’ny Israely izay teo amin’i Saoly sy i Jonatana koa. Ary ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely izay niery tany amin’ny tany be havoana any Efraima, rehefa nandre ny nandosiran’ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra tamin’ny ady koa. Namonjy ny Israely NY TOMPO tamin’izany andro izany; ary niitatra hatrany ambadik’i Bety-Avena ny ady. Tao an-katerena tokoa ireo lehilahin’ny Israely tamin’iny andro iny, kanefa i Saoly dia efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Koa tsy nisy olona nanendry hanina na dia iray akory aza. Dia niditra ny ala ny olona rehetra; ary nisy tantely teny rehetra teny. Rehefa tonga tao anaty ala ny olona dia nahita fa nisy tantely nitsororoka; nefa tsy nisy olona sahy nanainga ny tanany ho amin’ny vavany satria natahotra ny fianianana. I Jonatana kosa dia tsy nandre ny nampianianan’ny rainy ny olona. Dia narosony ny lohatehiny teny an-tanany ka natsobony tamin’ny tantely ary nataony teo am-bavany ny tanany ka nazava ny masony. Ary nisy olona iray niteny taminy hoe: Rainao anie ka nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona izay olona homan-kanina anio; efa reraka anefa ity ny olona. Dia hoy i Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin’ny tany; koa miangavy anareo aho, jereo izato fahazavan’ny masoko satria nanandrana kely tamin’ity tantely ity aho teo. Koa mainka raha navela hihinanan’ny olona ny babo azony tamin’ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina? Ary namely ny Filistina izy ireo tamin’iny andro iny, hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary tena reraka ny olona. Dia nirohotra nankeo amin’ny babo ny olona ka naka ondry aman’osy sy omby ary zanak’omby, dia namono azy teo amin’ny tany ary nohanin’ny olona mbamin’ny rany izany. Nisy nilaza tamin’i Saoly ary hoe: Indro, manota amin’NY TOMPO ny olona, fa mihinana zavatra mbamin’ny rany izy. Dia hoy i Saoly: Olona mpivadika ianareo! Manakodiava vato lehibe iray ho etỳ amiko izao dia izao. Hoy koa izy: Mieleza eny amin’ny olona ianareo ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko ary samia mitondra ny ondriny ka vonoy eto izany dia hano, ary aza manota amin’NY TOMPO amin’ny fihinanana zavatra mbamin’ny rany. Ary ny vahoaka rehetra dia samy nitondra ny ombiny tamin’izany alina izany ka namono azy teo. Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO i Saoly; io no alitara voalohany naoriny ho an’NY TOMPO. Hoy i Saoly: Andeha hidina hanenjika ny Filistina isika anio alina ka hambabo azy ambara-pahazavan’ny andro; tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha ary isika hanatona an’Andriamanitra eto. Ary nanontany tamin’Andriamanitra i Saoly hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanan’ny Israely va izy? Nefa tsy namaly azy akory Izy tamin’iny andro iny. Dia hoy i Saoly: Manatòna etỳ ianareo loholona rehetra ary fantaro ka jereo izay nahatonga izao fahotana androany izao. Fa raha velona koa NY TOMPO izay Mpamonjy ny Israely, na amin’i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia hovonoina ho faty tokoa izy. Nefa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra. Dia hoy izy tamin’ny Israely rehetra: Ianareo no aoka ho eo an-daniny ary izaho sy i Jonatana zanako kosa no ho eo an-kilany. Hoy ny vahoaka tamin’i Saoly: Ataovy izay sitrakao. Dia hoy i Saoly tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Asehoy izay marina. Ary i Jonatana sy i Saoly no voatondro, fa afaka ny olona. Hoy i Saoly: Manaova antsapaka ny amiko sy i Jonatana zanako. Ary i Jonatana no voatondro. Dia hoy i Saoly tamin’i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary nambaran’i Jonatana taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin’ny tendron’ny tehina tetỳ an-tanako aho ary indro, tsy maintsy ho faty aho. Dia hoy i Saoly: Hataon’Andriamanitra toy izany anie; eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hovonoina ho faty tokoa ianao, ry Jonatana. Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saoly: Ho faty va i Jonatana izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin’ny Israely? Sanatria izany! Raha velona koa NY TOMPO, tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany, fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy androany. Ary nanafaka an’i Jonatana ny vahoaka ka tsy maty izy. Rehefa avy nanenjika ny Filistina i Saoly dia niverina niakatra; ny Filistina kosa dia lasa nankany amin’ny taniny. Nony azon’i Saoly ny fanjakan’Israely dia niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba sy ny taranak’i Amona ary ny Edomita sy ny mpanjakan’i Zoba ary ny Filistina; izay nalehany rehetra dia resiny avokoa. Ary namory miaramila izy dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Israely tamin’ny tanan’izay nambabo azy. Ireto no zanakalahin’i Saoly: I Jonatana sy i Jisvy ary i Malky-Soa; izao kosa no anaran’ny zanany vavy roa: Meraba no anaran’ny vavimatoa, ary Mikala no anaran’ny faravavy. Ny anaran’ny vadin’i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin’i Ahimaza; ary ny anaran’ny komandin’ny miaramilany dia Abnera, zanak’i Nera, rahalahin-drain’i Saoly. I Kisy no rain’i Saoly; ary i Nera, rain’i Abnera dia zanak’i Abiela. Mafy ny ady tamin’ny Filistina tamin’ny andron’i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan’i Saoly dia nalainy ho azy. Hoy i Samoela tamin’i Saoly: NY TOMPO naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianao. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hovalìko izay nataon’ny Amalekita tamin’ny Israely, dia ny nanakanany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Ejipta. Koa mandehana ankehitriny ka asio ny Amalekita, ataovy zavatra voaozona izay rehetra mety ho azy, aza asiana miangana fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’osy, na rameva, na boriky. Dia namory ny olona i Saoly ka nandamina azy tao Telaima: Roa hetsy ny mandeha an-tongotra ary iray alina kosa ny lehilahin’ny Joda. Dia tonga tao an-tanànan’ny Amalekita i Saoly ka nanao vela-pandrika tao an-dohasaha. Ary hoy i Saoly tamin’ny Kenita: Andeha miala ianareo ka midìna hiala amin’ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo dia nanisy soa ny Zanak’Israely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Ejipta. Dia niala tamin’ny Amalekita ny Kenita. Ary i Saoly dia namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ny lalana mankany Sora izay tandrifin’i Ejipta. Azony sambo-belona i Agaga, mpanjakan’ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia nataony zavatra voaozona tamin’ny lelan-tsabatra. Nefa i Saoly sy ny olona dia tsy namono an’i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy, ny omby, ny mifahy, ny zanak’ondry ary izay tsara rehetra, satria tsy foiny hatao zavatra voaozona ireny; ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia nataony zavatra voaozona avokoa. Ary tonga tamin’i Samoela ny tenin’NY TOMPO hoe: Manenina Aho noho ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ny fanarahana Ahy izy ka tsy nanatanteraka ny teniko. Dia tezitra i Samoela ka nitaraina tamin’NY TOMPO nandritra ny alina. Ary nifoha vao maraina i Samoela mba hitsena an’i Saoly, fa nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: Efa tonga ato Karmela i Saoly. Indro, nanorina fahatsiarovana ho an’ny tenany izy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala. Dia tonga teo amin’i Saoly i Samoela, ary hoy i Saoly taminy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao; efa nanatanteraka ny tenin’NY TOMPO aho. Hoy kosa i Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman’osy ren’ny sofiko sy ny fitrenan’ny omby reko izany? Hoy i Saoly: Avy tany amin’ny Amalekita no nitondrana ireny, fa ny olona dia namela izay ondry aman’osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrao, fa ny sisa dia nataonay zavatra voaozona avokoa. Dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain’NY TOMPO tamiko alina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary. Dia hoy i Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ny firenen’Israely va? Ary NY TOMPO nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely; dia naniraka anao NY TOMPO ka niteny hoe: Mandehana ka ataovy zavatra voaozona avokoa ny Amalekita mpanota ary miadia aminy ambara-paharingany. Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon’NY TOMPO fa nanao ampihimamba tamin’ny babo ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO? Hoy i Saoly tamin’i Samoela: Efa nihaino ny feon’NY TOMPO ihany aho ka nandeha tamin’izay nanirahan’NY TOMPO ahy ary nitondra an’i Agaga, mpanjakan’ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra. Nefa nakan’ny olona ny ondry aman’osy sy omby tamin’ny babo, dia izay soa avy tamin’ny zavatra hatao zavatra voaozona mba hovonoina hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ao Gilgala. Fa hoy i Samoela: Sitraky NY TOMPO va ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’NY TOMPO? E! Ny mankatò no tsara noho ny fanatitra, ny mihaino no tsara noho ny jaboran’ondrilahy. Fa ny fikomiana dia toy ny heloka amin’ny fanaovana sikidy, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao dia nolaviny tsy ho mpanjaka. Hoy i Saoly tamin’i Samoela: Efa nanota aho, satria efa nandika ny tenin’NY TOMPO sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony. Koa ankehitriny, miangavy anao aho, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’NY TOMPO. Fa hoy i Samoela tamin’i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa efa nandà ny tenin’NY TOMPO ianao, ary NY TOMPO kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ny Israely intsony. Nony nihodina handeha i Samoela, dia nohazonin’i Saoly ny sisin’akanjony ka rovitra. Dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: Efa norovitin’NY TOMPO ho afaka aminao androany ny fanjakan’Israely ka nomeny olon-kafa izay tsara noho ianao. Ary izao koa, ny Voninahitr’Israely dia tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina. Fa hoy i Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa mba miangavy anao aho, omeo voninahitra eo anatrehan’ny loholoko sy eo anatrehan’ny Israely aho, koa andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao. Dia niverina nanaraka an’i Saoly indray i Samoela ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO i Saoly. Dia hoy i Samoela: Entonareo eto amiko i Agaga, mpanjakan’ny Amalekita. Ary nankeo aminy i Agaga sady falifaly ka niteny hoe: Lasa tokoa ny fangidian’ny fahafatesana. Fa hoy i Samoela: Toy ny tsy nampananan’ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ny reninao zanaka kosa. Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’NY TOMPO tao Gilgala i Agaga. Dia nankany Rama i Samoela; fa i Saoly kosa dia niakatra tany amin’ny tranony tao Gibean’i Saoly. Ary tsy namangy an’i Saoly intsony i Samoela ambara-pahafatiny; eny, nalahelo an’i Saoly i Samoela. NY TOMPO kosa nanenina tamin’ny nanaovany an’i Saoly ho mpanjakan’ny Israely. Hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Mandra-pahoviana no halahelovanao an’i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ny Israely? Fenoy diloilo ny tandrokao ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’i Jese betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ny zanany Aho. Fa hoy i Samoela: Hataoko ahoana no fandeha any? Raha ren’i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Hoy NY TOMPO: Mitondrà ombivavy kely ianao ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho. Dia antsoy i Jese mba ho any amin’ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao ka hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. Ary nanatanteraka izay nolazain’NY TOMPO i Samoela ka tonga tao Betlehema. Nitsena azy tamin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka niteny hoe: Fihavanana va no iavianao? Dia hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny fanatitra. Dia nohamasininy i Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ny fanatitra. Nony tonga ireo dia nijery an’i Eliaba izy ka niteny hoe: Ny voahosotry NY TOMPO tokoa ity eto anatrehany. Fa hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany fa efa nolaviko izy; satria tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’NY TOMPO; ny olona dia mijery ny miseho eo ivelany, fa NY TOMPO kosa mijery ny fo. Ary niantso an’i Abinadaba i Jese ka nampandalo azy teo anatrehan’i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’NY TOMPO. Dia nampandalo an’i Sama indray i Jese. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’NY TOMPO. Nampandalo fito lahy tamin’ny zanany teo anatrehan’i Samoela i Jese, nefa hoy i Samoela tamin’i Jese: Tsy nofidin’NY TOMPO ireto. Ary hoy i Samoela tamin’i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Hoy i Samoela tamin’i Jese: Maniraha olona haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy tonga eto izy. Dia nandefa iraka haka azy izy. Mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy NY TOMPO: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy. Ary nandray ny tandroka feno diloilo i Samoela ka nanosotra azy teo anatrehan’ny rahalahiny; nanomboka tamin’iny andro iny dia tonga tamin’i Davida ny Fanahin’NY TOMPO. Dia nitsangana i Samoela ka nankany Rama. Dia niala tamin’i Saoly ny Fanahin’NY TOMPO, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’NY TOMPO nampahatahotra azy. Hoy ny mpanompon’i Saoly taminy: Indro, misy fanahy ratsy avy any amin’Andriamanitra mampahatahotra anao. Aoka ny tomponay haniraka anay mpanomponao izay eto anatrehanao, mba hitady olona mahay mitendry lokanga; koa rehefa misy fanahy ratsy avy amin’Andriamanitra tonga aminao dia hitendry amin’ny tanany izy ka ho tsara ianao. Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Mizahà ary izay olona mahay mitendry tsara ka ento etỳ amiko. Hoy ny iray tamin’ny zatovony: Indro, ny iray amin’ny zanak’i Jese betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpiantafika izy no mahay mandaha-teny sy tsara tarehy, ary NY TOMPO momba azy. Dia nandefa iraka tany amin’i Jese i Saoly hilaza hoe: Iraho hankaty amiko i Davida zanakao izay miandry ondry. Ary naka mofo tokony ho zakan’ny boriky iray sy divay iray siny hoditra ary zanak’osy i Jese ka nampitondrainy an’i Davida zanany ho an’i Saoly ireo. Dia tonga tany amin’i Saoly i Davida ka niseho teo anatrehany; ary tiany indrindra izy ka tonga mpitondra ny fiadiany. Koa nandefa iraka tany amin’i Jese i Saoly hilaza hoe: Miangavy anao aho, avelao i Davida hitoetra eto anatrehako, satria efa mahita fitia amiko izy. Rehefa nisy fanahy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly dia noraisin’i Davida ny lokanga ka notendren’ny tanany; dia maivamaivana sady nihatsara i Saoly, ary niala taminy ny fanahy ratsy. Ary namory ny miaramilany hiady ny Filistina ka tafavory tao Soko any Joda izy ireo ary nitoby teo anelanelan’i Soko sy i Azeka, dia tao Efesa-Damima. Dia tafavory koa i Saoly sy ny lehilahin’ny Israely ka nitoby teo amin’ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin’ny Filistina. Teo ampita teo amin’ny tendrombohitra iray ny Filistina, ary ny Israely kosa dia teo ampita teo amin’ny tendrombohitra iray, koa ny lohasaha no nanelanelana azy. Nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ny tobin’ny Filistina, Goliata no anarany; avy any Gata izy. Enina hakiho sy irain-jehy ny halavany. Nisatroka fiarovan-doha varahina izy ary niakanjo varahina tahaka ny kiran-trondro ka ny lanjan’ny akanjony varahina dia dimy arivo sekela. Nanao fiarovan-dranjo varahina tamin’ny tongony koa izy ary nilanja lefom-pohy varahina. Tahaka ny voditenon’ny mpanenona ny haben’ny zaran-defony; ary ny lela lefony dia vy milanja eninjato sekela; nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany. Dia nijanona izy ka niantso ny miaramilan’ny Israely ary niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho ary ianareo kosa dia mpanompon’i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo hidina etỳ hiady amiko. Raha maharesy ahy izy ka mahavoa ahy dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka voako dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay. Hoy koa ilay Filistina: Mihantsy ny miaramilan’ny Israely aho izao anio izao! Omeo lehilahy iray aho hiady amiko. Nony ren’i Saoly sy ny Israely rehetra izany tenin’ilay Filistina izany dia kivy izy ireo sady raiki-tahotra tokoa. I Davida dia zanak’ilay Efratita avy any Betlehema-Joda antsoina hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary efa antitra i Jese tamin’ny andron’i Saoly. Lasa nanaraka an’i Saoly nankany an-tafika ny zokiny telo lahy tamin’ny zanak’i Jese. Ny anaran’izy telo lahy zanany izay lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama izay fahatelony; i Davida kosa no faralahy. Lasa nanaraka an’i Saoly izy telo lahy zokiny fa i Davida kosa dia nivezivezy tany amin’i Saoly sady niverina mba hiandry ny ondrin’ny rainy tany Betlehema. Ary nanatona marain-tsy hariva ilay Filistina ka niseho nandritra ny efapolo andro. Hoy i Jese tamin’i Davida zanany: Ento ity lango eran’ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an’ny rahalahinao; atero haingana ho any an-toby, any amin’ny rahalahinao. Ary ento ho an’ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia jereo na finaritra ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray antoka amin’izany aho. I Saoly sy izy telo lahy mbamin’ny lehilahy rehetra amin’ny Israely moa dia teo amin’ny lohasaha Elaha, niady tamin’ny Filistina. Dia nifoha vao maraina i Davida ka namela ny ondriny hotandreman’olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’i Jese azy; dia tonga teo amin’ny toerana fitobian-tsarety izy; tamin’izay ny antokon’ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady. Fa efa nilahatra hiady ny Israely sy ny Filistina ka nifanatrika ny miaramila. Ary namela ny entany teo an-tanan’izay niambina entana i Davida dia nihazakazaka nankeny amin’ny laharan’ny miaramila ary tonga ka nanontany ny amin’izay momba ny rahalahiny. Raha mbola niresaka taminy izy dia indro, tamy niakatra avy teo amin’ny laharan’ny miaramilan’ny Filistina ilay mpihantsy ady, Goliata no anarany; lehilahy filistina avy any Gata izy. Niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren’i Davida. Nandositra io lehilahy io ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely rehefa nahita azy, satria natahotra loatra. Hoy ny lehilahin’ny Israely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihantsy ny Israely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ny mpanjaka ho manankarena be tokoa, ary homeny azy ho vadiny koa ny zanany vavy sady tsy hampandoavin-ketra amin’ny Israely ny taranaky ny rainy. Dia hoy i Davida tamin’ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondro-maso ny Israely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io no mba hihantsy ny miaramilan’Andriamanitra velona? Dia nolazain’ny olona taminy fa araka izay voalaza no hatao amin’izay lehilahy mahafaty azy. Ary nandre azy niresaka tamin’ny olona i Eliaba zokiny dia nirehitra tamin’i Davida ny fahatezerany ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin’iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-tany efitra? Fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ. Hoy i Davida: Fa inona moa izao no nataoko afa-tsy ny niresaka? Dia niala teo aminy hankany amin’ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary namaly azy tahaka ny teo aloha ihany ny olona. Nony ren’ny olona ny teny izay nataon’i Davida dia nambarany tamin’i Saoly ka nampiantso azy izy. Dia hoy i Davida tamin’i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin’Ilehio ny fon’ny olona; fa ny mpanomponao dia handeha hiady amin’io Filistina io. Fa hoy i Saoly tamin’i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’io Filistina io, satria mbola tanora loatra ianao, nefa izy dia mpiady hatramin’ny fahazazany. Hoy i Davida tamin’i Saoly: Ny mpanomponao dia niandry ny ondrin’ny rainy ary nisy liona sy bera tonga tao ka naka zanak’ondry teo amin’ny andian’ondry; dia nanenjika azy aho ka namely azy ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ondry; nony handramatra ahy izy dia nohazoniko tamin’ny somony ary nasiako ka matiko. Ny liona sy ny bera dia samy novonoin’ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin’ireny, satria nihantsy ny miaramilan’Andriamanitra velona izy. Ary hoy koa i Davida: NY TOMPO izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io. Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: Mandehana ary, homba anao anie NY TOMPO. Dia nampiakanjo an’i Davida ny akanjo fiadiany i Saoly ka nanisy fiarovan-doha varahina tamin’ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra. Namehy ny sabany tamin’ny akanjo fiadiany i Davida dia nanandrana nandeha; nefa tsy mbola nahazatra azy izany ka hoy izy tamin’i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ireto aho fa tsy mbola nahazatra ahy; dia nesorin’i Davida ireo. Dia nandray an-tanana ny tehiny izy sady nifidy vatokilonjy dimy tao amin’ny lohasahan-driaka ka nataony tao anatin’ny kitapo fitondran’ny mpiandry ondry izay teny aminy, ary teny an-tanany koa ny antsamotadiny; dia nanatona ilay Filistina izy. Ary nandroso nanatona an’i Davida ilay Filistina sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe. Nony nijerijery an’i Davida ilay Filistina ka nahita azy dia nianjonanjona taminy, satria tanora izy, sady mena volo no tsara tarehy. Dia hoy ilay Filistina tamin’i Davida: Alika angaha aho no hatonin’Ialahy amin’ny tehina? Ary nanozona an’i Davida tamin’ireo andriamaniny ilay Filistina. Hoy koa ilay Filistina tamin’i Davida: Manatòna ahy fa homeko ny voromanidina sy ny bibidia ny nofon’Ialahy. Fa hoy kosa i Davida tamin’ilay Filistina: Ianao dia manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa dia manatona anao amin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny miaramilan’ny Israely, izay efa nohantsianao. Anio no hanoloran’NY TOMPO anao ho eo an-tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voromanidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramilan’ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra ny fisian’ny Andriamanitry ny Israely. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy amin’ny sabatra na amin’ny lefona no amonjen’NY TOMPO; fa an’NY TOMPO ny ady ka hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. Nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an’i Davida dia nandroso haingana i Davida ka nihazakazaka ho eo amin’ny laharan’ny miaramila mba hitsena ilay Filistina. Dia natsofok’i Davida tao anaty kitapo ny tanany ka naka vato tao izy; nalefany tamin’ny antsamotady izany ka nahavoa ilay Filistina teo amin’ny handriny; nilentika tamin’ny handriny ny vato, ary potraka niankohoka tamin’ny tany izy. Toy izany no nandresen’i Davida ilay Filistina tamin’ny vaton’antsamotady; namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, nefa tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida. Dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo anilan’ilay Filistina, ary nalainy ny sabatr’Ilehio ka notsoahany tamin’ny tranony dia namonoany azy sy nanapahany ny lohany. Nony hitan’ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny dia vaky nandositra izy ireo. Dia nitsangana ny lehilahin’ny Israely sy ny Joda ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’i Gata sy ny vavahadin’i Ekrona; ary ireo izay lavo tamin’ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ny lalana mankany Saraima, hatrany Gata ka hatrany Ekrona. Rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina ny Zanak’Israely dia nambabo ny tobiny koa. Dia noraisin’i Davida ny lohan’ilay Filistina ka noentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany kosa dia napetrany tao an-dainy. Nony nahita an’i Davida nandeha hiady tamin’ny Filistina i Saoly dia hoy izy tamin’i Abnera, komandin’ny miaramila: Ry Abnera, zanak’iza moa iny zatovo iny? Ary hoy i Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively. Hoy ny mpanjaka: Anontanionao hoe zanak’iza marina iny zatovo iny. Nony niverina avy namono ilay Filistina i Davida dia nalain’i Abnera izy ka noentiny teo anatrehan’i Saoly, ary mbola teny an-tanany ihany ny lohan’ilay Filistina. Dia hoy i Saoly taminy: Zanak’iza moa ianao, ry zatovo? Hoy i Davida: Zanak’i Jese, betlehemita mpanomponao aho. Rehefa nitsahatra niteny tamin’i Saoly izy dia niraiki-po tamin’i Davida i Jonatana. Tia azy tahaka ny tenany mihitsy i Jonatana. Dia nandray azy i Saoly tamin’io andro io ka tsy namela azy hody tany an-tranon’ny rainy intsony. Dia nanao fanekena tamin’i Davida i Jonatana noho ny fitiavany azy toy ny tenany. Nesorin’i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’i Davida mbamin’ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehikibony. Ary nandeha niantafika i Davida ka hita fa nahomby tamin’izay rehetra nanirahan’i Saoly azy; dia notendren’i Saoly hifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ny vahoaka rehetra sy ireo mpanompon’i Saoly koa. Nony vory ny olona tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistina dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’ny Israely rehetra ny vehivavy ka nihira sy nandihy nitsena an’i Saoly mpanjaka tamin’ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona. Dia nihira ireo vehivavy mpandihy hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo fa i Davida dia nahafaty alinalina. Dia tezitra mafy i Saoly satria tsy nankasitrahany izany teny izany ka hoy izy: Nomena an’i Davida ny alinalina fa ny ahy kosa dia arivoarivo ihany. Ny fanjakana no sisa tsy mbola azony. Hatramin’izany andro izany dia ratsy fijery an’i Davida i Saoly. Nony ampitson’iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly ka nihetsiketsika teo ampovoan-trano izy; i Davida moa dia nitendry lokanga tamin’ny tanany tahaka ny fanaony isanandro ihany, ary nisy lefona teny an-tanan’i Saoly. Dia natorak’i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’i Davida aho ka hataoko miboroaka mihatra amin’ny rindrina. Fa niala izany indroa teo anatrehany i Davida. Ary natahotra an’i Davida i Saoly satria NY TOMPO nomba azy, fa i Saoly kosa dia nialany. Dia nesorin’i Saoly tsy ho eo aminy i Davida ary nataony mpifehy arivo ka nitarika ny olona nandroso sy niverina tamin’ny ady. Ary nahomby tamin’izay rehetra nataony i Davida sady NY TOMPO nomba azy. Nony hitan’i Saoly fa mahomby hatrany i Davida dia natahotra azy izy. Ny Israely sy ny Joda rehetra kosa dia tia an’i Davida satria nitarika azy nandroso sy niverina tamin’ny ady izy. Hoy i Saoly tamin’i Davida: Indro omeko ho vadinao i Meraba zanako vavimatoa, nefa aoka kosa ianao hahery ho ahy, ary miadia ny adin’NY TOMPO. Fa hoy i Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy fa ny tanan’ny Filistina. Fa hoy i Davida tamin’i Saoly: Zinona moa aho, ary zinona moa ny fianakavian’ny raiko ao amin’ny Israely, no ho vinanton’ny mpanjaka aho? Kanjo nony tamin’ny andro tokony ho namoahana an’i Meraba, zanakavavin’i Saoly, ho vadin’i Davida, dia nomena ho vadin’i Adriela meholatita izy. Tia an’i Davida kosa anefa i Mikala, zanakavavin’i Saoly; ary nisy nanambara izany tamin’i Saoly ka sitrak’i Saoly izany. Dia hoy i Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ny tanan’ny Filistina azy. Indroa izany no nitenenan’i Saoly tamin’i Davida hoe: Aoka ho vinantoko ianao ankehitriny. Nandidy ny mpanompony i Saoly hoe: Miresaha mangingina amin’i Davida ka lazao hoe: Indro, ankasitrahan’ny mpanjaka ianao ary ny mpanompony rehetra koa dia tia anao; koa maneke ihany ho vinanton’ny mpanjaka ianao. Ary ny mpanompon’i Saoly dia nilaza izany teny izany teo an-tsofin’i Davida. Nefa hoy i Davida: Moa heverinareo ho zavatra kely va izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona mahantra sady fanivaiva? Dia notaterin’ny mpanompon’i Saoly taminy izay nambarany hoe: Toy izany no navalin’i Davida. Ary hoy i Saoly: Izao no holazainareo amin’i Davida: Ny mpanjaka dia tsy mila harena be ho vodiondry, fa saron-tsotsòkan ’ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’i Saoly hahafaty an’i Davida amin’ny tanan’ny Filistina izany. Rehefa nambaran’ny mpanompon’i Saoly tamin’i Davida ireo teny ireo dia sitrak’i Davida ny ho vinanton’ny mpanjaka. Koa na dia tsy mbola tapitra aza ny fetrandro dia niainga i Davida. Nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roanjato lahy, ary nitondra ny saron-tsotsòka i Davida ka nanisa azy teo anatrehan’ny mpanjaka mba hahavinanton’ny mpanjaka azy. Dia nomen’i Saoly ho vadiny i Mikala zanany vavy. Ary nahita sy nahalala i Saoly fa NY TOMPO nomba an’i Davida; i Mikala zanakavavin’i Saoly koa moa dia tia azy. Dia vao mainka natahotra an’i Davida i Saoly ka tonga fahavalon’i Davida hatrany izy. Ary ireo andrianan’ny Filistina dia nanafika, koa isaky ny nanafika izy dia i Davida no hita fa mahomby noho ny mpanompon’i Saoly rehetra, koa dia tena nisandratra ny anarany. Niresaka tamin’i Jonatana zanany sy tamin’ny mpanompony rehetra i Saoly ny amin’izay hamonoana an’i Davida. I Jonatana, zanak’i Saoly kosa anefa dia tena tia an’i Davida. Dia nanambara tamin’i Davida i Jonatana hoe: Mitady hamono anao i Saoly raiko; koa miangavy anao aho, mitandrema ianao rahampitso maraina, ary mizahà fiafenana ka miere; fa handeha aho ka hitsangana eo anilan’Ikaky ao amin’ny saha izay misy anao dia hiresaka amin’ny raiko ny momba anao; koa izay hitako dia hambarako aminao. Ary nilaza soa an’i Davida tamin’i Saoly rainy i Jonatana ka hoy izy taminy: Aoka tsy hanota amin’i Davida mpanompony ny mpanjaka, satria tsy nanota taminao izy fa tena nahasoa anao ny nataony; ary efa nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ka namono ny Filistina; eny, NY TOMPO nahavita famonjena lehibe ho an’ny Israely rehetra, ary nahita izany ianao ka faly. Koa nahoana no dia hanota handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an’i Davida tsy amin’antony? Ary nihaino ny tenin’i Jonatana i Saoly. Dia nianiana i Saoly hoe: Raha velona koa NY TOMPO dia tsy hovonoina izy. Dia niantso an’i Davida i Jonatana ka nanambara izany rehetra izany taminy, ary nitondra an’i Davida ho eo amin’i Saoly ka nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy. Mbola nitohy ihany ny ady; ary niainga i Davida dia niady tamin’ny Filistina ary nahafaty betsaka, hany ka nandositra azy ireny. Dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’NY TOMPO tonga tao amin’i Saoly rehefa nipetraka tao an-tranony izy sady nitana ny lefony teny an-tanany; ary i Davida dia nitendry lokanga tamin’ny tanany. Ary nikasa hamely an’i Davida tamin’ny lefona i Saoly ka hataony miboroaka mihatra amin’ny rindrina; nefa nahay niala teo anatrehan’i Saoly izy ka ny rindrina no voan’ny lefona; dia nandositra i Davida ka afaka tamin’iny alina iny ihany. Dia nandefa iraka hankany amin’ny tranon’i Davida i Saoly hiambina azy mba hamonoany azy raha maraina; fa i Mikala, vadin’i Davida dia nanambara taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao ianao anio alina dia ho faty rahampitso maraina. Ary nampidinin’i Mikala teo am-baravarankely i Davida dia lasa nandositra ka afaka. Dia nalain’i Mikala ny terafima ka napetrany teo amin’ny farafarany, ary nosaronany makarakara volon’osy ny lohany sady norakofany lamba. Koa nony nandefa iraka haka an’i Davida i Saoly dia hoy izy: Marary izy. Ary nandefa iraka indray i Saoly hizaha an’i Davida ka niteny hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin’ny farafara izy hovonoiko. Dia tonga ny iraka, kanjo indro, ny terafima no teo am-parafara ary voasaron’ilay makarakara volon’osy ny lohany. Dia hoy i Saoly tamin’i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko ary afa-nandositra izy? Fa hoy i Mikala tamin’i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, raha tsy izany dia hovonoiko ianao. Dia nandositra i Davida ka afaka ary tonga tany amin’i Samoela tany Rama. Nambarany azy izay rehetra nataon’i Saoly taminy; ary nandeha izy sy i Samoela ka nonina tany Naiota. Nisy nanambara tamin’i Saoly anefa hoe: Indro, i Davida dia ao Naiota any Rama. Dia nandefa iraka i Saoly hisambotra an’i Davida; koa nony hitan’ireo ny mpaminany tafangona sady maminany, ary i Samoela no lohany mitarika azy, dia tonga tamin’ireo irak’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra ka mba naminany koa izy ireo. Nambara tamin’i Saoly izany ka nandefa iraka hafa indray izy ary naminany koa ireo. Mbola nandefa iraka hafa indray fanintelony i Saoly nefa naminany indray koa ireo. Dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga teo amin’ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza i Samoela sy i Davida? Ary hoy ny iray: Indreo ao Naiota any Rama izy. Dia nankany Naiota any Rama izy avy eo, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’Andriamanitra, dia nandroso hatrany izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama. Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’i Samoela, ary lavo nitanjaka nandritra iny andro sy alina iny izy. Koa izany no nanaovan’ny olona hoe: Moa mba isan’ny mpaminany koa va i Saoly? Nandositra niala tao Naiota any Rama i Davida dia tonga teo anatrehan’i Jonatana ka nilaza taminy hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao no dia mitady ny aiko izy? Hoy i Jonatana taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao. Indro, tsy misy tsy ambaran’Ikaky ahy izay ataony na zava-dehibe na kely, koa hataon’Ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany. Ary nianiana indray i Davida hoe: Fantatry ny rainao tokoa fa efa mahita fitia eo imasonao aho ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny fanahinao, toy ny indray mandingana monja no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana. Dia hoy i Jonatana tamin’i Davida: Na inona na inona no angatahinao dia hataoko aminao izany. Hoy i Davida tamin’i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary tokony hiara-mipetraka hihinana amin’ny mpanjaka aho; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-piavin’ny afaka ampitso hariva. Koa rehefa hitan’ny rainao fa tsy eo aho dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko i Davida mba hikaretsaka kely any Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanaon’ny fianakaviany manontolo any isan-taona. Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an’ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy. Koa asehoy amin’ny mpanomponao ny hatsaram-ponao; fa nampanaovinao ny faneken’NY TOMPO aminao ny mpanomponao; nefa raha manan-keloka aho dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no hoentinao any amin’ny rainao aho? Hoy anefa i Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan’Ikaky anao dia hambarako aminao mihitsy izany. Dia hoy i Davida tamin’i Jonatana: Iza no hanambara amiko, raha teny masiaka no avalin-drainao anao? Hoy i Jonatana tamin’i Davida: Andeha ary isika ho any an-tsaha. Dia nandeha ho any an-tsaha izy roa lahy. Ary hoy i Jonatana tamin’i Davida: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no vavolombelona! Rehefa avy nofotorako tsara ny hevitry ny raiko rahampitso na afaka ampitso toy izao ka indro, misy soa ho an’i Davida, nefa tsy maniraka ho any aminao aho mba hanambara izany aminao, dia hataon’NY TOMPO toy izany anie i Jonatana; eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao dia hambarako aminao ka halefako ianao mba handehananao amin’ny fiadanana; ary homba anao tahaka ny tamin’ny raiko anie NY TOMPO. Raha mbola velona ihany aho, moa tsy hasehonao ahy va ny fiantran’NY TOMPO mba tsy hahafaty ahy? Tsy hesorinao mandrakizay amin’ny taranako koa ny famindramponao; eny, na dia avy aza izay hanesoran’NY TOMPO ny fahavalon’i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin’ny tany. Dia nanao fanekena ny amin’ny taranak’i Davida i Jonatana hoe: NY TOMPO no hamaly ny fahavalon’i Davida. Ary mbola nampianiana an’i Davida indray i Jonatana noho ny fitiavany azy, satria tiany toy ny tenany izy. Hoy i Jonatana: Rahampitso no ho tsinana ny volana; ary ho hita fa tsy eo ianao satria ho banga ny toeranao. Koa amin’ny andro fahatelo dia midìna haingana ianao ka tongava ao amin’ilay toerana izay nierenao tamin’ny andro nitrangan’ilay raharaha iny, ary mitoera eo anilan’ny vato Ezela. Dia handefa zana-tsipìka telo ho eo anilany, toy ny mikendry marika aho. Ary indro, haniraka zatovo aho ka hilaza hoe: Mandehana, tadiavo ny zana-tsipìka. Koa raha lazaiko amin’ilay zatovo mazava tsara hoe: Indreo eo aoriananao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin’ny fiadanana ianao, ary tsy hisy haninona anao raha velona koa NY TOMPO. Fa raha hoy kosa aho amin’ilay zatovo: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, satria NY TOMPO no mampandeha anao. Ary ny amin’ilay noresahantsika, izany hoe izaho sy ianao, indro, NY TOMPO no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay. Dia niery tany an-tsaha i Davida. Nony tsinana ny volana dia nipetraka hihinana ny mpanjaka. Nipetraka tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, teo amin’ny toerana eo anilan’ny rindrina, ary i Jonatana dia nitsangana fa i Abnera no nipetraka teo anilan’i Saoly; foana kosa ny toeran’i Davida. Tsy niteny na inona na inona anefa i Saoly tamin’iny andro iny satria hoy izy: Nisy zavatra nanjo an’i Davida ka tsy madio izy; eny, tsy madio izy. Tamin’ny andro faharoa, izany hoe ny ampitson’ny tsinam-bolana, dia mbola banga ihany ny toeran’i Davida ka hoy i Saoly tamin’i Jonatana zanany: Nahoana no tsy mba tonga nihinana ny zanak’i Jese omaly sy androany? Ary namaly an’i Saoly i Jonatana hoe: Niera fatratra tamiko i Davida mba hankany Betlehema ka niteny hoe: Miangavy anao aho, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy dia manao fanatitra any an-tanàna ka asain’ny rahalahiko ho any aho; koa ankehitriny, raha mahita fitia eo imasonao aho, miangavy anao aho, aoka aho handeha hamangy ny rahalahiko. Izany no tsy mba nahatongavany teto amin’ny latabatry ny mpanjaka. Dia nirehitra tamin’i Jonatana ny fahatezeran’i Saoly ka hoy izy taminy: Zanaky ny vehivavy maditra sy mpikomy ianao! Moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak’i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny fitanjahan’ny reninao. Satria amin’ny andro rehetra ahaveloman’iny zanak’i Jese iny etỳ ambonin’ny tany dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa mandefasa iraka haka azy ho atỳ amiko, fa tokony ho faty izy. Hoy anefa i Jonatana tamin’ny rainy: Nahoana no hovonoina izy? Inona no nataony? Ary nanambana handefona azy i Saoly ka fantatr’i Jonatana fa nofofoin’ny rainy hovonoina i Davida. Dia nitsangana niala teo amin’ny latabatra i Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany ka tsy nihinan-kanina izy tamin’ny ampitson’ny tsinam-bolana; fa nalahelo an’i Davida izy, satria nanala baraka azy ny rainy. Nony maraina dia nandeha ho any an-tsaha i Jonatana tamin’ilay fotoana nifanaovany tamin’i Davida ary nisy zatovo nanaraka azy. Hoy izy tamin’ilay zatovo: Mihazakazaha ka tadiavo ny zana-tsipìka alefako. Nony nihazakazaka ilay zatovo dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka. Rehefa tonga teo amin’ilay nisy ny zana-tsipìka nalefan’i Jonatana ilay zatovo dia nantsoin’i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka? Ary niantso ilay zatovo i Jonatana hoe: Haingàna dia haingàna ka aza mijanonjanona. Ary ny zatovolahin’i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka dia niverina teo amin’ny tompony. Nefa ilay zatovo dia tsy nahalala na inona na inona fa i Jonatana sy i Davida ihany no nahalala ny anton’izany. Dia nomen’i Jonatana ilay zatovo ny fiadiany ka hoy izy taminy: Mandehana ka ento ho any an-tanàna ireto. Nony lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy any atsimo i Davida ka niankohoka tamin’ny tany sady niondrika intelo, ary nifanoroka izy roa lahy ka samy nitomany; nefa ny an’i Davida dia mafy kokoa. Hoy i Jonatana tamin’i Davida: Mandehana soa amantsara; fa efa nianiana tamin’ny anaran’NY TOMPO isika roa lahy hoe: NY TOMPO no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ny taranako sy ny taranakao mandrakizay. Dia niainga i Davida; fa i Jonatana kosa dia niverina tany an-tanàna. Ary tonga tany Noba, tany amin’i Ahimeleka mpisorona i Davida; dia toran-kovitra i Ahimeleka rehefa nihaona tamin’i Davida ka niteny taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao fa tsy misy miaraka aminao? Dia hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka dia efa nanome raharaha ahy ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’olona ny raharaha nanirahako sy nampanaoviko anao, koa nasaiko nankarỳ ny zatovoko. Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho vatsiko, na izay azonao atao. Hoy ny mpisorona tamin’i Davida: Tsy misy mofo fihinana eto an-tanako fa mofo masina ihany no ato; raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo! Ary hoy i Davida tamin’ny mpisorona: Eny, toy ny fanao rehefa hiady dia tsy niara-nitoetra tamim-behivavy izahay; ary tamin’izaho niainga dia masina ny fiadian’ny zatovo; ary na tsy masina aza ny anton-dianay dia hohamasinina izy anio noho ny fiadiana. Dia nanome azy mofo masina ny mpisorona satria tsy nisy mofo teo afa-tsy ny mofo atao fanatitra izay nalainy teo anatrehan’NY TOMPO mba hosoloina mofo mafana amin’ny andro anesorana azy. Nefa nisy iray tamin’ny mpanompon’i Saoly teo tamin’izany andro izany voahazona teo anatrehan’NY TOMPO; i Doega edomita no anarany; lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly izy io. Dia hoy i Davida tamin’i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? Fa tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko aho satria nahamaika ny raharahan’ny mpanjaka. Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’i Goliata filistina, ilay novonoinao tao amin’ny lohasaha Elaha no indro, mifono akanjo ao ambadiky ny efoda ao; koa raha hoentinao dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Dia hoy i Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy. Tamin’izany andro izany dia niainga i Davida ka nandositra mba tsy ho azon’i Saoly. Dia tonga tany amin’i Akisy, mpanjakan’i Gata izy. Ary hoy ny mpanompon’i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy izy va no nandihizana sy nifampihirana hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo fa i Davida dia nahafaty alinalina? Nalatsak’i Davida tao am-pony izany teny izany ka natahotra mafy an’i Akisy mpanjakan’i Gata izy. Dia nody adala teo imasony izy ka nanao fihetsiky ny olona very saina, sady nanoratsoratra teo amin’ny lelam-bavahady izy no navelany hanorika tamin’ny somony ny iviny. Dia hoy i Akisy tamin’ny mpanompony: Indro, hitanareo fa very saina io lehilahy io, koa nahoana no noentinareo tetỳ amiko? Moa mitady olona very saina va aho no nitondranareo ity olona very saina ity hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va Ilehio? Dia niala teo i Davida ka nandositra nankany amin’ny zohin’i Adolama. Nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy ka nidina tany aminy. Ary ny olona nanam-pahasahiranana rehetra sy izay nanan-trosa rehetra ary izay nanana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy ka izy no tonga mpifehy azy ireny; tokony ho efajato lahy no niaraka taminy. Avy tao i Davida dia nankany Mizpa any Moaba ka niteny tamin’ny mpanjakan’i Moaba hoe: Miangavy anao aho, avelao ny raiko sy ny reniko hankaty aminao ambara-pahafantatro izay hataon’Andriamanitra amiko. Dia noentina ho eo anatrehan’ny mpanjakan’i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy nandritra ny andro rehetra nitoeran’i Davida tao amin’ny manda fiarovana. Hoy i Gada mpaminany tamin’i Davida: Aza mitoetra ao amin’ny manda fiarovana ianao; fa mandehana ka mankanesa any amin’ny tanin’ny Joda. Dia nandeha i Davida ka tonga tany amin’ny alan’i Hareta. Ren’i Saoly fa fantatra izay misy an’i Davida sy ny olona izay nanaraka azy. Nipetraka tao Gibea, teo ambanin’ny hazo tamarisika teo an-kavoana i Saoly tamin’izay; teny an-tanany ny lefony ary ny mpanompony rehetra dia nitsangana teo anilany. Dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony izay nitsangana teo anilany: Henoy kely, ry taranak’i Benjamina: Ianareo rehetra koa va mba homen’ny zanak’i Jese saha sy tanim-boaloboka na hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato no dia miray tetika hanohitra ahy ka tsy nisy nanambara tamiko fa nanao fifanekena tamin’ny zanak’i Jese ny zanako, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo na nanambara tamiko fa ny zanako dia nanome fo ny mpanompoko mba hamela-pandrika amiko tahaka ny amin’izao anio izao? Ary i Doega edomita izay nitsangana teo amin’ny mpanompon’i Saoly namaly hoe: Nahita ny zanak’i Jese tonga tany Noba tany amin’i Ahimeleka, zanak’i Ahitoba aho. Dia nanontany ho azy tamin’NY TOMPO i Ahimeleka sady nanome vatsy azy; nomeny azy koa ny sabatr’i Goliata, ilay Filistina. Dia nandefa iraka ny mpanjaka mba hampiantso an’i Ahimeleka mpisorona, zanak’i Ahitoba, sy ny taranaky ny rainy rehetra, izay mpisorona tao Noba; ary tonga tany amin’ny mpanjaka izy rehetra. Koa hoy i Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak’i Ahitoba. Ary namaly izy hoe: Inty aho, tompoko. Ary hoy i Saoly taminy: Nahoana no niray tetika hanohitra ahy ianareo, dia ianao sy ny zanak’i Jese, tamin’ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’Andriamanitra mba hitsanganany hanohitra ahy sy hamandrika ahy tahaka ny amin’izao anio izao? Dia hoy i Ahimeleka tamin’ny mpanjaka: Iza amin’ny mpanomponao rehetra moa no mba mahatoky tahaka an’i Davida izay vinanton’ny mpanjaka sady lehiben’ny mpiambina anao ary omen-kaja ao an-tranonao? Vao androany va no nanontaniako ho azy tamin’Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny taranaky ny raiko rehetra ny mpanjaka; satria ny mpanomponao dia tsy nahalala na inona na inona ny amin’izany rehetra izany na dia kely akory aza. Fa hoy ny mpanjaka: Hovonoina ho faty ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny taranaky ny rainao rehetra. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny mpiambina izay teo anilany: Mihodìna ka vonoy ny mpisoron’NY TOMPO, fa ny tanan’ireo koa dia momba an’i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ny mpanjaka dia tsy nety nanatsotra ny tanany hamely ny mpisoron’NY TOMPO. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Doega: Mihodìna ianao ka asio ny mpisorona. Ary nihodina i Doega edomita ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valopolo nisalotra efoda vita amin’ny lamba rongony izy tamin’io andro io. Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra koa i Noba, tanànan’ny mpisorona; ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman’osy dia voan’ny lelan-tsabatra avokoa. Ary ny iray tamin’ny zanak’i Ahimeleka, zanak’i Ahitoba dia afa-nandositra ka nanaraka an’i Davida; Abiatara no anarany. Dia nambaran’i Abiatara tamin’i Davida ny namonoan’i Saoly ny mpisoron’NY TOMPO. Ary hoy i Davida tamin’i Abiatara: Fantatro androtr’iny ihany fa tao i Doega edomita ka hilaza amin’i Saoly tokoa; koa izaho no anton’ny nahafaty ny olona rehetra tamin’ny taranaky ny rainao. Mitoera etỳ amiko ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; ho voambina tsara ianao raha miaraka amiko. Nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Indro ny Filistina dia mamely an’i Keila ka mamabo ny ao am-pamoloana. Dia nanontany tamin’NY TOMPO i Davida hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Hoy NY TOMPO tamin’i Davida: Mandehana, asio ny Filistina ka vonjeo i Keila. Ary hoy ny olon’i Davida taminy: E! Atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka rehefa mankany Keila hiady laharana amin’ny miaramilan’ny Filistina? Dia mbola nanontany tamin’NY TOMPO indray i Davida ka novalin’NY TOMPO hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao. Dia lasa nankany Keila i Davida sy ny olony ka niady tamin’ny Filistina sy namabo ny andiam-bibiny sady nahafaty olona be dia be, ary voavonjin’i Davida ny mponina tao Keila. Ary i Abiatara, zanak’i Ahimeleka, rehefa nandositra nankany amin’i Davida tany Keila, dia nitondra efoda teny an-tanany. Nisy nanambara tamin’i Saoly fa tonga tao Keila i Davida. Dia hoy i Saoly: Andriamanitra efa hanolotra azy ho eo an-tanako; efa voahidy izy izao satria tafiditra ao amin’ny tanàna misy vavahady mihidy. Ary namory ny vahoaka rehetra i Saoly mba hidina any Keila hanao fahirano an’i Davida sy ny olony. Nony fantatr’i Davida fa namorona hevi-dratsy hamelezana azy i Saoly dia hoy izy tamin’i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda. Dia hoy i Davida: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, efa ren’ny mpanomponao tokoa fa mitady hankaty Keila i Saoly mba handrava ny tanàna noho ny amiko. Koa moa ny mpitondra atỳ Keila va hanolotra ahy ho eo an-tanany? Hidina etỳ tokoa toy izay efa ren’ny mpanomponao va i Saoly? Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ny mpanomponao. Ary hoy NY TOMPO: Hidina izy. Dia hoy i Davida: Ny mpitondra etỳ Keila va hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tanan’i Saoly? Ary hoy NY TOMPO: Hanolotra anao izy. Dia niainga i Davida sy ny olony tokony ho eninjato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’izay azony naleha. Ary nisy nilaza tamin’i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila i Davida, dia nijanona tsy nandeha izy. Nitoetra tany an-tany efitra tao amin’ny fierena any an-tendrombohitra sy tany amin’ny havoana tany an-tany efitr’i Zifa i Davida. Nitady azy isanandro i Saoly, nefa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tanany. Hitan’i Davida fa nivoaka hitady ny ainy i Saoly. Tany an-tany efitr’i Zifa tany Horsa no nisy an’i Davida. Ary i Jonatana, zanak’i Saoly, niainga, dia nankany amin’i Davida tany Horsa ka nampahery azy tamin’Andriamanitra. Dia hoy izy taminy: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tanan’i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ny Israely, ary izaho no ho lefitrao, ary fantatr’i Saoly raiko koa izany. Ary nanao fifanekena teo anatrehan’NY TOMPO izy roa lahy; koa i Davida dia nitoetra tany Horsa, fa i Jonatana kosa dia nody any an-tranony. Niakatra nankany amin’i Saoly tany Gibea ny Zifita ka niteny hoe: Miery any aminay ao amin’ny fierena any an-tendrombohitra any Horsa, any amin’ny tany be havoana any Hakila izay atsimon’ny tany efitra, i Davida. Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirianao hidina dia midìna ianao, fa izahay no hanolotra azy ho eo an-tanan’ny mpanjaka. Hoy i Saoly: Hotahin’NY TOMPO anie ianareo, fa ianareo dia namindra fo tamiko. Miangavy anareo aho, mandehana, fotory tsara indray ka fantaro tsara ny nalehany, ary hadihadio izay nahita azy tany fa tena fetsy, hono, izy iny. Koa zahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny dia miverena atỳ amiko rehefa azonareo antoka izany, fa handeha hiaraka aminareo aho; raha mbola eto amin’ny tany izy dia hotadiaviko manerana ny fokon’i Joda rehetra. Dia niainga nankany Zifa izy ireo hialoha an’i Saoly. I Davida sy ny olony kosa tamin’io dia tany amin’ny tany efitr’i Maona, tao amin’ny tany ngazana atsimon’ny tany efitra. Ary nandeha i Saoly sy ny olony mba hitady azy. Nisy nilaza tamin’i Davida izany ka nidina tany amin’ny harambato izy ary nitoetra tany an-tany efitr’i Maona. Nony ren’i Saoly izany dia nanenjika an’i Davida tany an-tany efitr’i Maona izy. Ary nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray i Saoly fa i Davida sy ny olony kosa dia tamin’ny ilany. Niezaka mafy handositra an’i Saoly i Davida fa i Saoly sy ny olony dia nihodidina an’i Davida sy ny olony mba hisambotra azy. Kinanjo nisy iraka tonga tao amin’i Saoly niteny hoe: Avia haingana ianao fa efa manafika ny tany ny Filistina. Dia niverina avy tamin’ny nanenjehany an’i Davida i Saoly ka nandeha niady tamin’ny Filistina; ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Sela-Hamalekota. Dia niakatra niala teo i Davida ka nitoetra tao amin’ireo harambato tany Eny-Gedỳ. Rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina i Saoly dia nisy nanambara taminy hoe: Indro i Davida dia any an-tany efitr’i Eny-Gedỳ. Ary naka telo arivo lahy voafantina tamin’ny Israely rehetra i Saoly ka lasa nitady an’i Davida sy ny olony tany amin’ny vatolampin’ny osidia. Dia tonga teo amin’ny valan’ondry iray amoron-dalana izay nisy zohy i Saoly ka niditra tao mba hivoaka; i Davida sy ny olony anefa dia efa nipetraka tao anatin’ny zohy. Hoy ny olon’i Davida taminy: Izao no andro nolazain’NY TOMPO taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ny akanjoben’i Saoly. Taorianan’izany anefa dia nanenjika an’i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin’ny akanjoben’i Saoly ka hoy izy tamin’ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’NY TOMPO raha hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko izay voahosotry NY TOMPO aho ka hanatsotra ny tanako aminy, fa voahosotry NY TOMPO izy. Dia nandresy lahatra ny mpanompony tamin’izany teny izany i Davida ka tsy namela azy ireo hitsangana hamely an’i Saoly. Ary nitsangana i Saoly ka niala tao an-johy dia nandeha tamin’izay nalehany. Taorianan’izay dia mba nitsangana koa i Davida ka niala tao an-johy ary niantso taorianan’i Saoly hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Nony nitodika nijery azy i Saoly dia niondrika tamin’ny tany i Davida ka niankohoka. Ary hoy i Davida tamin’i Saoly: Nahoana ianao no mihaino tenin’olona hoe: Indro, mitady hanisy ratsy anao i Davida? Indro, hitan’ny masonao androany ny nanoloran’NY TOMPO anao ho eo an-tanako, tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao aho ka hoy aho: Tsy hanatsotra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotry NY TOMPO izy. Ary izao koa, ry Ikaky ô! Mba jereo tsara ange ny sisin’ny akanjobenao ivelany fa etỳ an-tanako; koa raha nanapaka ny sisin’ny akanjobenao ivelany aho nefa tsy namono anao dia fantaro ka jereo fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa dia mihaza ny aiko mba hahazo azy. NY TOMPO no hitsara ahy sy ianao, ary NY TOMPO no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako dia tsy mba haninona anao. Araka ny lazain’ny ohabolan’ny Ntaolo hoe: Avy amin’ny ratsy fanahy no ivoahan’ny faharatsiam-panahy. Nefa tsy haninona anao ny tanako. Hitady an’iza moa no nivoahan’ny mpanjakan’ny Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty sa parasy iray? Aoka NY TOMPO no ho mpitsara ka hitsara ahy sy ianao ary hijery sy hisolo vava ahy ka hitsara sy hanafaka ahy amin’ny tananao. Nony vita io teny nataon’i Davida tamin’i Saoly io, dia hoy i Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary nanandra-peo nitomany i Saoly sady hoy izy tamin’i Davida: Marina noho izaho ianao satria ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa dia namaly ratsy anao. Ary nasehonao androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotry NY TOMPO teo an-tananao aza aho dia tsy namono ahy ianao. Fa raha misy olona mahazo ny fahavalony, moa havelany handeha fotsiny amin’izao va izy? Hamaly soa anao anie NY TOMPO noho ny nataonao tamiko androany. Indro ankehitriny, fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao ary ny fanjakan’ny Israely dia ho tafatoetra eo an-tananao. Koa ankehitriny, mianiàna amiko amin’NY TOMPO ianao fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy, ary tsy hovonoinao amin’ny fianakavian’ny raiko ny anarako. Ary nianiana tamin’i Saoly i Davida; dia lasa nody i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa dia niakatra nankany amin’ny manda fiarovana. Ary maty i Samoela. Dia nivory ny Israely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ny fonenany tao Rama. Dia niainga i Davida ka nidina nankany an-tany efitra Parana. Nisy lehilahy iray tao Maona, ary tao Karmela no niasany; mpanankarem-be Ralehilahy ary nanana ondry telo arivo sy osy arivo; nanety ny ondriny tao Karmela izy. Nabala no anaran-dRalehilahy, ary Abigaila no anaran’ny vavy; vehivavy marani-tsaina sady tsara tarehy izy ity; ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin’izay ataony; ary isan’ny taranak’i Kaleba izy. Ren’i Davida tany an-tany efitra fa manety ny ondriny i Nabala. Dia naniraka zatovo folo lahy i Davida ka niteny tamin’ireo hoe: Miakara any Karmela ianareo ary mankanesa any amin’i Nabala, koa miarahabà azy amin’ny anarako. Ary izao no holazainareo aminy: Trara antitra ianao, fiadanana anie ho anao, fiadanana ho amin’ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’izay anananao rehetra. Reko fa manety ondry ianao ankehitriny; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, dia tsy mba nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin’ny andro rehetra nitoerany tao Karmela. Anontanio ireo zatovonao fa hilaza aminao. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ireo zatovo fa andro fifaliana no iavianay; miangavy anao aho, mba omeo amin’izay azon’ny tananao ireto mpanomponao sy i Davida zanakao. Rehefa tonga ireo zatovon’i Davida dia niteny tamin’i Nabala tamin’ny anaran’i Davida izy ireo araka izany teny rehetra izany, dia nipetraka. Fa namaly ny mpanompon’i Davida i Nabala hoe: Iza moa i Davida? Ary iza moa ny zanak’i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ny tompony. Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an’ny mpanety ondriko ka homeko izay olona tsy fantatro fiaviana akory? Dia nihodina ny zatovon’i Davida ka niverin-dalana ary nody tany aminy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy. Ary hoy i Davida tamin’ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ny fehin-tsabany avy ianareo; dia samy nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany avy ny olona ary mba nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany koa i Davida. Tokony ho efajato lahy no niakatra nanaraka an’i Davida, roanjato lahy kosa no nijanona teo amin’ny entana. I Abigaila, vadin’i Nabala, dia nilazan’ny iray tamin’ny zatovony hoe: Indro, nandefa iraka avy tany an-tany efitra i Davida mba hiarahaba ny tompontsika nefa nisafoaka tamin’ireny izy. Fa ireo lehilahy ireo dia tena nanao soa taminay ka tsy naninon-tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very nandritra ny andro rehetra nitoeranay teo aminy fony tany an-tsaha izahay. Izy ireo no mandanay andro aman’alina tamin’ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tany aminy. Koa fantaro sy diniho ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoany ny tompontsika mbamin’ny ankohonany rehetra satria izy dia tena ratsy fanahy ka tsy misy olona mahazo miteny aminy. Dia nandeha haingana i Abigaila ka naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voavoatra, lango indimin’ny sea, mofo voaloboka maina zato ary mofo aviavy roanjato; dia natainginy tamin’ny boriky ireo. Ary hoy izy tamin’ny zatovony: Mandehana eo alohako! Indro izaho hanaraka anareo. Nefa i Nabala vadiny dia tsy mba nilazany. Nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin’ilay takona amin’ny havoana dia indro, nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanena taminy. Ary i Davida dia nilaza hoe: Foana tokoa ny niarovako izay rehetra nananan’ilehiny tany an-tany efitra ka tsy nisy very na inona na inona, satria novalìny ratsy ny soa nataoko. Mba hataon’Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’i Davida; eny, mihoatra noho izany aza, raha havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy mandra-paharain’ny andro. Ary rehefa nahita an’i Davida i Abigaila dia niala haingana teo ambonin’ny boriky ka niondrika teo anatrehan’i Davida sady niankohoka tamin’ny tany. Dia niankohoka teo an-tongony izy ka niteny hoe: Aoka ho ahy ny heloka, tompokolahy; miangavy anao aho, avelao ny mpanompovavinao hiteny eto anatrehanao, mba henoy ny tenin’ny mpanompovavinao. Miangavy anao aho, aoka ny tompoko tsy hiraharaha io Nabala izay lehilahy tena ratsy fanahy io; satria tahaka ny anarany ihany ny toetrany; Nabala mantsy no anarany ka hadalana no ao aminy. Fa izaho mpanompovavinao kosa, tompoko, dia tsy mba nahita ny zatovo izay nirahinao. Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ianao, NY TOMPO efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ka namonjy anao; koa ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, dia avelao ho tahaka an’i Nabala. Ary izao saotra noentin’ny mpanompovavinao aminao ankehitriny izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo izay manaraka ny tompoko. Miangavy anao aho, mamelà ny fahadisoan’ny mpanompovavinao, fa NY TOMPO hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; satria ny tompoko miady ny adin’NY TOMPO; tsy misy ratsy ho hita ao aminao amin’ny andronao rehetra. Raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao dia hofehezina amin’ny fehin’aina ao amin’NY TOMPO Andriamanitrao ny ain’ny tompoko, fa ny ain’ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ny foitran’antsamotady. Koa rehefa mahavita amin’ny tompoko araka ny soa rehetra nolazainy taminao NY TOMPO ka manendry anao ho mpanapaka ny Israely dia tsy ho sakana na fanafintohinana amin’ny fon’ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-dra tsy amin’antony ianao, na namonjy ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian’NY TOMPO soa ny tompoko dia mba tsarovy aho mpanompovavinao. Hoy i Davida tamin’i Abigaila: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely izay naniraka anao hihaona amiko androany. Hotahiny anie ny fahendrenao sady hotahiny anie ianao, izay niaro ahy tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ary tsy hamonjy ny tenako. Kanefa, raha velona koa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy haingana nitsena ahy ianao dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’i Nabala mandra-paharain’ny andro. Dia noraisin’i Davida teny an-tanany ilay zavatra noentiny ary hoy izy taminy: Miakara soa amantsara any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao ary nankasitrahiko ianao. Dia tonga tao amin’i Nabala i Abigaila; kanjo, indro izy nanao fanasana, tahaka ny fanasan’ny mpanjaka, tao an-tranony; faly ny fon’i Nabala tamin’io sady tena mamo izy, noho izany dia tsy nisy nambaran’ny vavy taminy na kely akory aza mandra-pahazava ny andro. Nony maraina, rehefa afaka ny hamamoan’i Nabala dia nambaran’ny vavy taminy ny zava-nitranga ka voadona ny fony ary tonga tahaka ny vato. Nony afaka hafoloana dia nasian’NY TOMPO i Nabala ka maty. Nony ren’i Davida fa maty i Nabala dia hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO izay niady ho ahy ka nahafa-tondro-maso ahy tamin’ny tanan’i Nabala sy niaro ny mpanompony tamin’ny ratsy. Fa ny ratsy nataon’i Nabala dia naverin’NY TOMPO ho eo an-dohany ihany. Ary nandefa iraka hiresaka amin’i Abigaila haka azy ho vady i Davida. Nony tonga tany amin’i Abigaila teo Karmela ny mpanompon’i Davida dia niteny taminy hoe: Naniraka anay hankaty aminao mba haka anao ho vadiny i Davida. Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin’ny tany ka niteny hoe: Eny ary, aoka aho ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon’ny tompoko. Ary nitsangana haingana i Abigaila ka nitaingina boriky; nanaraka azy koa ny mpanompovaviny dimy; dia nanaraka ireo irak’i Davida izy ka tonga vadiny. I Davida moa dia efa nanambady an’i Ahinoama avy any Jezirela koa ka samy vadiny avokoa izy roa vavy. Fa i Saoly dia efa nanome an’i Mikala, zanany vavy, vadin’i Davida, ho vadin’i Palty, zanak’i Laisy, avy any Galima. Tonga tao amin’i Saoly tany Gibea ny Zifita ka niteny hoe: Tsy miery any amin’ny tany be havoana any Hakila manandrify ny tany efitra va i Davida? Dia niainga i Saoly ka nidina nankany an-tany efitr’i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ny Israely hanaraka azy hitady an’i Davida any an-tany efitr’i Zifa. Ary nitoby tao amin’ny tany be havoana any Hakila izay manandrify ny tany efitra teo amoron-dalana izy. Fa i Davida kosa dia nitoetra tany an-tany efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany i Saoly. Koa naniraka mpitsikilo i Davida ka fantany fa tonga tokoa i Saoly. Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana izay nitobian’i Saoly; ary hitan’i Davida ny toerana izay nandrian’i Saoly sy Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilany. Ary natory teo anatin’ny kianja fitobian-tsarety i Saoly ka nitoby manodidina azy ny vahoaka. Ary hoy i Davida tamin’i Ahimeleka hetita sy i Abisay, zanak’i Zeroia, rahalahin’i Joaba: Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin’i Saoly any an-toby? Dia hoy i Abisay: Izaho no hidina hiaraka aminao. Dia tonga tao amin’ny vahoaka i Davida sy i Abisay nony alina; ary indro, nandry i Saoly ka natory teo amin’ny kianja fitobian-tsarety, ary ny lefony dia nitsatoka tamin’ny tany teo anilan’ny lohany; i Abnera sy ny vahoaka kosa dia natory manodidina azy. Ary hoy i Abisay tamin’i Davida: Efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, miangavy anao aho, aoka holefoniko indray mandeha monja izy ka hataoko miboroaka amin’ny tany, fa tsy hamely azy indroa akory aho. Fa hoy i Davida tamin’i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no manatsotra ny tanany amin’ny voahosotry NY TOMPO ka tsy hanan-tsiny? Hoy koa i Davida: Raha velona koa NY TOMPO dia aoka NY TOMPO no hamely azy, na ho tonga ny androny ka ho faty izy, na hirotsaka ho amin’ny ady izy ka any no hahalavo azy. Sanatria amiko eo anatrehan’NY TOMPO raha hanatsotra ny tanako hamely ny voahosotry NY TOMPO aho; fa miangavy anao aho, ny lefona eo anilan’ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alaivo, dia andeha isika handeha. Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny tavoara fitondran-drano izay teo anilan’ny lohan’i Saoly ka lasa izy; ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nifoha; natory mantsy izy rehetra satria nataon’NY TOMPO renoky ny torimaso. Dia nita nankeny andafin’ny lohasaha i Davida ka nijanona teo an-tampon’ny tendrombohitra lavidavitra; misimisy ihany ny elanelan’ireo toerana roa ireo; ary niantso ny olona sy i Abnera, zanak’i Nera i Davida hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Dia namaly i Abnera hoe: Iza moa ianao no miantsoantso ho ren’ny mpanjaka? Hoy i Davida tamin’i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin’ny Israely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy iray tamin’ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao. Tsy tsara izany nataonao izany. Raha velona koa NY TOMPO dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotry NY TOMPO. Jereo ange, aiza ny lefon’ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan’ny lohany? Dia fantatr’i Saoly ny feon’i Davida ka hoy izy: Feonao va izany, ry Davida zanako? Hoy i Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko. Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin’ny tanako? Koa ankehitriny, miangavy anao aho, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ny mpanomponao: Raha NY TOMPO no nanesika anao hamely ahy dia aoka handray ny hanitry ny fanatitra Izy; fa raha zanak’olombelona kosa dia aoka ho voaozona eo anatrehan’NY TOMPO izy, satria efa nandroaka ahy tsy hanana anjara amin’ny lova nomen’NY TOMPO izy androany ka niteny hoe: Mandehana, manompoa andriamanitra hafa. Koa aza avela ho latsaka amin’ny tany lavitra NY TOMPO ny rako; fa ny mpanjakan’ny Israely dia nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra. Ary hoy i Saoly: Efa nanota aho! Miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa sarobidy teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao zavatra tsy tamim-piheverana aho ka tena diso. Dia namaly i Davida hoe: Indro ny lefon’ny mpanjaka! Koa asaivo misy zatovo iray manketỳ haka azy. NY TOMPO hamaly ny olona araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, satria NY TOMPO no nanolotra anao teo an-tanako androany, nefa tsy nety nanatsotra ny tanako hamely ny voahosotry NY TOMPO aho. Indro, fa tahaka ny nanaovako ny ainao ho lehibe teo imasoko androany no mba hanaovan’NY TOMPO ny aiko ho lehibe eo imasony koa ka hanafahany ahy amin’ny fahoriana rehetra. Ary hoy i Saoly tamin’i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; na inona na inona ataonao dia ho tontosanao tokoa. Dia nanohy ny lalany i Davida fa i Saoly kosa dia nitodi-doha niverina nody. Hoy i Davida anakampo: Mbola ho azon’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ny tanin’ny Filistina, dia ho kivy i Saoly ka tsy hitady ahy manerana ny tanin’ny Israely intsony ary ho afaka amin’ny tanany aho. Dia niainga i Davida ka nandeha niaraka tamin’ny eninjato lahy nanaraka azy nankany amin’i Akisy, zanak’i Maoka, mpanjakan’i Gata. Nitoetra tao amin’i Akisy tao Gata i Davida, dia izy sy ny olony, samy miaraka amin’ny ankohonany avy ka i Davida dia niaraka tamin’ny vadiny roa, dia i Ahinoama jezirelita sy i Abigaila vadin’i Nabala karmelita. Nisy nanambara tamin’i Saoly fa efa nandositra nankany Gata i Davida, koa tsy nitady azy intsony izy. Ary hoy i Davida tamin’i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho dia aoka mba homena toerana ao amin’ny tanàna iray any ambanivohitra mba honenako, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra miaraka aminao eto amin’ny renivohitry ny fanjakana? Dia nomen’i Akisy azy androtr’izay i Ziklaga. An’ny mpanjakan’i Joda ambaraka androany i Ziklaga. Ny andro nitoeran’i Davida tany ambanivohitry ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana. Ary niakatra i Davida sy ny olony ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita satria ireo no nonina tamin’ny tany hatrizay ela izay, hatrany akaikin’i Sora, hatrany amin’ny tany Ejipta. Namely ny tany i Davida ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman’osy sy omby, boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin’i Akisy. Hoy i Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy i Davida: Nanafika ny tany atsimo izay any Joda sy izay an’ny Jeramelita ary izay an’ny Kenita izahay. Tsy nisy novelomin’i Davida mba hoentiny any Gata, na lehilahy na vehivavy, fa hoy izy: Andrao hisy hilaza momba anay hoe: Toy izao no nataon’i Davida ary toy izany no fanaony tamin’ny andro rehetra nitoerany tany ambanivohitry ny Filistina. Ary nino an’i Davida i Akisy ka niteny hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin’ny Israely olony izy ka ho mpanompoko mandrakizay. Tamin’izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany mba hanafika ny Israely. Ary hoy i Akisy tamin’i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mandeha amiko hanafika ianao sy ny olonao. Hoy i Davida tamin’i Akisy: Ho fantatrao amin’izao tokoa izay hain’ny mpanomponao atao. Hoy kosa i Akisy tamin’i Davida: Raha izany dia hataoko mpiambina ahy manokana mandrakizay ianao. Efa maty i Samoela, ary ny Israely rehetra dia nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, tao an-tanànany. Efa noroahin’i Saoly hiala amin’ny tany koa izay mpanontany amin’ny maty sy izay mpanandro. Ary nivory ny Filistina dia tonga nitoby tao Sonema, fa i Saoly kosa dia namory ny Israely rehetra ka nitoby tao Gilboa. Raha nahita ny miaramilan’ny Filistina i Saoly dia raiki-tahotra sady niemponempona tokoa ny fony. Dia nanontany tamin’NY TOMPO i Saoly nefa tsy namaly azy NY TOMPO, na tamin’ny nofy, na tamin’ny Orima, na tamin’ny mpaminany. Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Itadiavo vehivavy mpanontany amin’ny maty aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy mpanontany amin’ny maty ao Eny-Dora. Dia nanova tarehy i Saoly ka niakanjo fitafiana hafa. Ary nandeha niaraka tamin’ny olona roa lahy izy ka tonga tao amin-dRavehivavy nony alina. Hoy izy: Miangavy anao aho, manaova sikidy ho ahy hiantso fanahin’ny maty iray ka ampiakaro ho eto amiko izay hotononiko aminao. Hoy Ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’i Saoly tamin’ny namongorany ny mpanontany amin’ny maty sy ny mpanandro hiala amin’ny tany; koa nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy? Ary nianiana tamin’NY TOMPO i Saoly ka niteny taminy hoe: Raha velona koa NY TOMPO dia tsy hisy heloka hahazo anao amin’izao zavatra izao. Hoy Ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: I Samoela no ampiakaro ho eto amiko. Nony hitan-dRavehivavy i Samoela, dia nidradradradra tamin’ny feo mahery izy ka niteny tamin’i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? I Saoly ianao. Hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra! Inona no hitanao? Hoy Ravehivavy tamin’i Saoly: Mahita andriamanitra miakatra avy amin’ny tany aho. Ary hoy izy taminy: Manao ahoana ny endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra manao akanjobe ivelany no miakatra. Dia fantatr’i Saoly fa i Samoela izay ka niankohoka niondrika tamin’ny tany izy. Hoy i Samoela tamin’i Saoly: Nahoana no helingeleninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy i Saoly: Sahirana loatra aho, fa miady amiko ny Filistina nefa Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ny alalan’ny mpaminany, na amin’ny nofy; koa izany no niantsoako anao mba hampahafantaranao ahy izay hataoko. Hoy i Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa NY TOMPO efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao? NY TOMPO efa nanatanteraka izay nampilazainy ahy; fa efa nendahin’NY TOMPO hiala amin’ny tananao ny fanjakana ka nomeny olon-kafa, dia i Davida. Satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin’ny Amalekita, dia izany no nanaovan’NY TOMPO izao zavatra izao taminao androany. Indray hatolotry NY TOMPO ho eo an-tanan’ny Filistina ny tenanao sy ny Israely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ny Israely koa dia hatolotry NY TOMPO ho eo an-tanan’ny Filistina. Dia lavo niampatra tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’i Samoela, sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra. Nankao amin’i Saoly Ravehivavy ka nahita azy raiki-tahotra indrindra dia niteny taminy hoe: Indro, ny mpanompovavinao nihaino ny feonao dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko. Koa ankehitriny, miangavy anao aho, mba henoy kosa ny tenin’ny mpanompovavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba ho tanjaka ho anao rehefa handeha amin’ny alehanao ianao. Fa nandà izy hoe: Tsy hihinana aho. Ny mpanompony sy Ravehivavy anefa dia mbola nanery azy ihany, hany ka nihaino ny feony ihany izy. Dia nitsangana avy teo amin’ny tany izy ka nipetraka teo am-parafara. Ary Ravehivavy dia nanana zanak’omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira. Dia narosony teo anoloan’i Saoly sy teo anoloan’ny mpanompony izany ka nihinana izy ireo, dia niainga ary lasa nandeha tamin’iny alina iny ihany. Ary namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka ny Filistina; fa ny Israely kosa dia nitoby teo anilan’ny loharano ao Jezirela. Nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’arivo ireo andrianan’ny Filistina; fa i Davida sy ny olony kosa dia nandroso teo aoriana niaraka tamin’i Akisy. Hoy ireo andrianan’ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy i Akisy tamin’ireo andrianan’ny Filistina: Tsy io va no i Davida, mpanompon’i Saoly, mpanjakan’ny Israely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany? Dia tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistina ka niteny taminy hoe: Avereno ho any amin’ny fonenany izay efa nomenao azy ihany Ilehio fa aza avela hiara-midina amintsika hiady, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ny inona no hahazoan’io sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny lohan’ireto olona ireto va? Tsy io moa no i Davida izay nandihizana sy nanaovana hira mifamaly hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo, fa i Davida dia nahafaty alinalina? Ary niantso an’i Davida i Akisy ka niteny taminy hoe: Raha velona koa NY TOMPO, olona marina ianao sady sitrako ny hiarahanao amiko mivoaka sy miditra eto an-toby satria tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao. Koa miverena ary mandehana soa amantsara mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ireo andrianan’ny Filistina. Fa hoy i Davida tamin’i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko? Dia namaly an’i Davida i Akisy hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ny Filistina no niteny hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy. Koa mifohaza vao maraina ianao mbamin’ny mpanompon’ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa mifoha maraina ianareo ka mazava ny andro dia mandehana. Ary nifoha vao mangiran-dratsy i Davida sy ny olony mba handeha hiverina maraim-be any amin’ny tanin’ny Filistina. Ny Filistina kosa dia niakatra nankany Jezirela. Nony tonga teo Ziklaga i Davida sy ny olony tamin’ny andro fahatelo dia indro, fa efa nanafika tany Negeva sy Ziklaga ny Amalekita ka namely an’i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ny afo. Namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy ireo, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny ireo na dia iray aza fa noentiny rehefa nanohy ny diany izy. Nony tonga tao amin’ny tanàna i Davida sy ny olony dia indro, efa levon’ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan-ko babo. Dia nanandra-peo nitomany i Davida sy ny mpanaraka azy mandra-pahalany ritra ny ranomasony. Voababo koa izy roa vavy vadin’i Davida, dia i Ahinoama jezirelita sy Abigaila, ilay novadin’i Nabala karmelita. Dia ory indrindra i Davida, fa ny olona dia nifampitaona hitora-bato azy satria samy nalahelo ny zanany lahy sy ny zanany vavy ny olona rehetra; fa i Davida kosa dia nampahery ny tenany tamin’NY TOMPO Andriamaniny. Ary hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona, zanak’i Ahimeleka: Miangavy anao aho, ento etỳ amiko ny efoda. Dia noentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efoda. Dia nanontany tamin’NY TOMPO i Davida hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratrako va izy? Dia namaly azy NY TOMPO hoe: Enjeho izy fa ho tratranao tokoa ary ho afakao tokoa ireo babo. Dia lasa i Davida sy ny eninjato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin’ny lohasahan-driaka Besora ary teo no nijanonan’ny sasany. I Davida sy ny efajato lahy no nanenjika; fa ny roanjato lahy kosa izay reraka ka tsy afaka nita ny lohasahan-driaka Besora dia nijanona tany aoriana. Nahita lehilahy ejiptiana iray teny an-tsaha ny olona ka noentiny tany amin’i Davida. Dia nomeny hanina Ralehilahy ka nihinana sady nampisotroiny rano koa. Nomeny mofo aviavy didiny iray sy mofo voaloboka maina koa izy; ary rehefa nihinana izy dia nody indray ny ainy, satria efa telo andro sy telo alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary hoy i Davida taminy: An’iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo ejiptiana, mpanompon’ny Amalekita iray, aho; ary narian’ny tompoko aho afaka omaly satria narary. Izahay mantsy nanafika ny tany atsimo izay an’ny Keretita sy ny faritanin’ny Joda ary ny tany atsimo izay an’i Kaleba sady nandoro an’i Ziklaga tamin’ny afo. Hoy i Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin’izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’Andriamanitra ianao fa tsy hamono ahy na hanolotra ahy ho eo an-tanan’ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin’izany jirika izany aho. Nony noentiny nidina izy, indreo, miely manerana ny tany ny Amalekita ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben’ny babo rehetra izay azony tamin’ny tanin’ny Filistina sy ny tanin’ny Joda. Ary namely azy tamin’iny takariva iny ka hatramin’ny ampitso hariva i Davida; tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingina rameva ka lasa nandositra. Dia azon’i Davida izay rehetra efa nobaboin’ny Amalekita; azon’i Davida koa ny vadiny roa. Tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na lehibe, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin’izay nobaboin’ireny; izany rehetra izany dia azon’i Davida avokoa. Ary naka ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra i Davida. Ireo izay nandeha teo aloha dia nitarika ireo biby kosa dia niantsoantso hoe: Itony ny babon’i Davida! Nony tonga teo amin’ny roanjato lahy izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy ary navela teo amin’ny lohasahan-driaka Besora i Davida dia nandeha nitsena an’i Davida sy ny olona nanaraka azy izy ireo. Rehefa tonga teo akaikin’ny olona i Davida dia nanontany azy ireo izay fahasalamany. Dia niteny ireo olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra izay isan’ireo nanaraka an’i Davida hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany avy ihany; ireo no aoka hoentiny dia aoka handeha izy. Fa hoy i Davida: Aza manao izany amin’izay nomen’NY TOMPO antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika. Koa iza no hanaiky anareo amin’izany? Fa tahaka ny anjaran’izay nidina hiady ihany no ho anjaran’izay nitoetra tamin’ny entana: Hifampizara izany izy rehetra. Dia izany no fanao hatramin’io andro io ka natao didy sy lalàna tamin’ny Israely ambaraka androany. Nony tonga tao Ziklaga i Davida, dia mba nanaterany ho an’ireo loholon’ny Joda sakaizany koa ny babo sady hoy izy: Inty ny saotra ho anareo avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’NY TOMPO. Ho an’izay ao Betela sy izay any Ramata amin’ny tany Negeva, ho an’izay ao Jatira sy ho an’izay ao Aroera, ho an’izay ao Sifmota, ho an’izay ao Estemoa, ho an’izay ao Rakala, ho an’izay any an-tanànan’ny Jeramelita, ho an’izay any an-tanànan’ny Kenita, ho an’izay ao Horma, ho an’izay ao Borasana, ho an’izay ao Ataka, ho an’izay ao Hebrona ary ho an’izay any amin’ny tany rehetra nandehandehanan’i Davida sy ny olony. Ary niady tamin’ny Israely ny Filistina. Dia nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty. Nanenjika mafy an’i Saoly sy ny zanany ny Filistina ka matin’ny Filistina i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malky-Soa, zanak’i Saoly. Mafy tamin’i Saoly ny ady; nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy ka nangorohoro tokoa noho ny mpandefa tsipìka. Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irerỳ tsy mifora irerỳ ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany fa natahotra loatra. Dia nalain’i Saoly ny sabatra ka nianjerany. Rehefa hitan’ny mpitondra ny fiadiany fa maty i Saoly dia mba nianjera tamin’ny sabany koa izy ka niara-maty taminy. Dia niara-maty androtr’izay ihany i Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra. Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely teny andafin’ny lohasaha sy teny andafin’i Jordana fa nandositra ny lehilahin’ny Israely, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandositra niala tao an-tanàna izy ireo, ary tonga ny Filistina ka nonina tao. Nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ny maty ny Filistina, dia nahita an’i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa. Dia notapahiny ny lohany sady nalainy ny fiadiany ary nandefa iraka tany amin’ny tanin’ny Filistina manodidina izy mba hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin’ny tranon’ny sampiny sy amin’ny olona. Dia napetrany tao amin’ny tranon’ireo Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny dia nofantsihany teo amin’ny mandan’i Bety-Sana. Nony ren’ny mponina tany Jabesy-Gileada izay nataon’ny Filistina tamin’i Saoly dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha nandritra ny alina ary naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany teo amin’ny mandan’i Bety-Sana; ary tonga tao Jabesy izy ireo ka nandoro azy tao. Ary noentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ilay hazo tamarisika tao Jabesy, dia nifady hanina hafitoana izy ireo. Taorianan’ny nahafatesan’i Saoly, rehefa niverina avy nanafika ny Amalekita i Davida, dia nitoetra roa andro tao Ziklaga izy. Tamin’ny andro fahatelo dia indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ny miaramilan’i Saoly, rovidrovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; rehefa tonga teo amin’i Davida izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nitsaoka azy. Hoy i Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ny tobin’ny Israely aho. Hoy i Davida taminy: Inona no zava-nitranga tany? Miangavy anao aho, ambarao amiko. Dia hoy izy: Nandositra tamin’ny ady ny olona ary be koa ny miampatrampatra sy maty; maty koa i Saoly sy Jonatana zanany. Ary hoy i Davida tamin’ilay zatovo izay nanambara taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty i Saoly sy i Jonatana zanany? Dia nanambara taminy ilay zatovo hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho no indro i Saoly nitehina tamin’ny lefony; ary indreo, ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy ka hoy aho: Inty aho. Dia hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy aho taminy: Amalekita aho. Hoy indray izy tamiko: Miangavy anao aho, manatòna ka vonoy aho fa fanina, nefa mbola ato anatiko ihany ny aiko. Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy taorianan’ny nahavoa azy; dia nalaiko ny satroboninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ny sandriny ka nentiko etỳ amin’ny tompoko izany. Dia noraisin’i Davida ny fitafiany ka notriariny; dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. Nisaona sy nitomany ary nifady hanina izy ireo mandra-paharivan’ny andro noho ny amin’i Saoly sy i Jonatana zanany sy ny olon’NY TOMPO ary ny taranak’Israely satria lavon-tsabatra ireny. Hoy i Davida tamin’ilay zatovo izay nanao tatitra taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny amalekita aho. Dia hoy i Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra hanainga ny tananao hamono ny voahosotry NY TOMPO? Dia niantso zatovo iray i Davida ka niteny hoe: Manatòna dia vonoy io; dia nasiany izy ka maty. Ary hoy i Davida taminy: Aoka ho eo amin’ny lohanao ny ranao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao hoe: Izaho no namono ny voahosotry NY TOMPO. Nisaona an’i Saoly sy i Jonatana zanany tamin’izao hira fisaonana izao i Davida, ary nasainy nampianarina ny taranak’i Joda ny hira atao hoe Tsipìka; indro, voasoratra ao amin’ny bokin’i Jasara izany: Ilay voninahitrao, ry Israely, no voalefona teo amin’ny havoananao! Indrisy! Lavo ny mahery! Aza ambaranareo any Gata izany, aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’i Askelona, fandrao mifaly ny zanakavavin’ny Filistina, fandrao miravoravo ny zanakavavin’ny tsy mifora. Ianareo tendrombohitra Gilboa, aza misy ando aman’orana intsony eny aminareo, na saha mahavokatra! Satria tany no nanariana ny ampingan’ny mahery, dia ny ampingan’i Saoly ka tsy nohosorana diloilo. Ny tsipìkan’i Jonatana dia tsy nihemotra raha tsy nahazo ny ran’ny maty sy ny tavin’ny mahery; ary ny sabatr’i Saoly dia tsy mba niverina foana. I Saoly sy i Jonatana izay tiana sady maha te ho tia fony fahavelony dia tsy nosarahina na tamin’ny nahafatesany aza; haingam-pandeha noho ny voromahery izy ireo ary mahery noho ny liona. Ry zanakavavin’Israely, mitomania an’i Saoly, fa nahafinaritra ny nampitafiany lamba jaky anareo sady nasiany firavaka volamena ny fitafianareo. Indrisy! Lavo teo amin’ny ady ny mahery! Voalefona teo amin’ny havoananao i Jonatana! Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko! Nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy. Indrisy! Lavo ny mahery! Levona ny fiadiana! Rehefa afaka izany dia nanontany NY TOMPO i Davida hoe: Hiakatra ho any amin’ny tanana iray any Joda va aho? Dia hoy NY TOMPO taminy: Miakara! Hoy i Davida: Aiza no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona. Dia niakatra nankany i Davida mbamin’ny vadiny roa, dia i Ahinoama jezirelita sy i Abigaila, ilay novadin’i Nabala karmelita. Ny olona izay tao amin’i Davida mbamin’ny ankohonan’ireo koa dia samy noentiny niakatra ary nonina tao amin’ny tanànan’i Hebrona izy ireo. Dia avy ny lehilahin’ny Joda ka nanosotra an’i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ny taranak’i Joda. Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Ny olona any Jabesy-Gileada no nandevina an’i Saoly. Dia nandefa iraka hankany amin’ny mponina any Jabesy-Gileada i Davida hilaza aminy hoe: Hotahin’NY TOMPO anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’i Saoly tomponareo tamin’ny nandevenanareo azy. Koa haneho famindrampo sy fahamarinana aminareo anie NY TOMPO, sady izaho koa dia efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany. Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty i Saoly tomponareo, koa izaho no nohosoran’ny fokon’i Joda ho mpanjaka eo aminy. Fa i Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’i Saoly kosa, dia naka an’Isboseta, zanakalahin’i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima dia nampanjaka azy tamin’ny Gileada sy ny Asorita sy i Jezirela sy i Efraima ary i Benjamina ary tamin’ny Israely rehetra. Efapolo taona no nahaveloman’Isboseta, zanak’i Saoly, fony izy nanomboka nanjaka tamin’ny Israely, ary roa taona no nanjakany. Ny fokon’i Joda ihany no nomba an’i Davida. Fito taona sy enim-bolana no nanjakan’i Davida tao Hebrona tamin’ny taranak’i Joda. Ary i Abnera, zanak’i Nera, sy ny mpanompon’Isboseta, zanak’i Saoly, dia niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona. I Joaba, zanak’i Zeroia, sy ireo mpanompon’i Davida kosa dia nandeha ka tafahaona tamin’ireo teo amoron’ny kamory tao Gibeona; dia samy nipetraka teo amin’ny lafin’ny kamory avy izy. Ary hoy i Abnera tamin’i Joaba: Miangavy anao aho, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Hoy i Joaba: Aoka ary izy hitsangana. Dia nisy nitsangana ka nita, roa amby folo lahy tamin’ny Benjamina, izay an’Isboseta, zanak’i Saoly, ary roa amby folo lahy koa tamin’ny mpanompon’i Davida. Samy nifampisavika izy rehetra sady nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ny sabatra dia niara-niankarapoka; koa izany no nanaovana izany toerana ao Gibeona izany hoe Helkata-Hazorima. Mafy ny ady tamin’izany andro izany ka resy teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Abnera sy ny lehilahin’ny Israely. Mba teo koa izy telo lahy zanak’i Zeroia, dia i Joaba sy i Abisay ary i Asahela. I Asahela dia haingam-pandeha tahaka ny gazela any an-tany efitra. Nanenjika an’i Abnera i Asahela ka ny fandehany nanenjika an’i Abnera dia tsy nivily mihitsy na tamin’ny ankavanana na tamin’ny ankavia. Ary niherika i Abnera ka niteny hoe: Ianao moa izany, ry Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity. Dia hoy i Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; zatovo iray no sambory ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany. Hoy indray i Abnera tamin’i Asahela: Mivilia ianao fa aza manenjika ahy; fa nahoana moa aho no hamely anao hiankarapoka amin’ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’i Joaba rahalahinao? Nefa tsy nety nivily ihany izy ka nasian’i Abnera ny vodilefona ny kibony dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona ka niankarapoka teo izy ary maty niaraka tamin’izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ilay niankarapohan’i Asahela sy nahafatesany dia nijanona. Nanenjika an’i Abnera i Joaba sy i Abisay ka nony tonga teo amin’ny havoanan’i Ama izay tandrifin’i Gia amin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Gibeona izy dia maty ny masoandro. Dia niangona teo amin’i Abnera ny taranak’i Benjamina ka nivondrona ho andiany iray ary nijanona teo an-tampon’ny havoana iray. Ary niantso an’i Joaba i Abnera hoe: Dia handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Mandra-pahoviana no tsy hampivereninao tsy hanenjika ny rahalahiny ny olona? Hoy i Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao iny dia efa lasa nody androany maraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory. Dia nitsoka ny anjomara i Joaba ka nijanona ny olona rehetra ary tsy nanenjika ny Israely na niady taminy intsony izy. Rehefa nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana i Abnera sy ny olony dia nita an’i Jordana sy namakivaky an’i Bitirona manontolo ka tonga tao Mahanaima. Nony niverina avy nanenjika an’i Abnera i Joaba dia novoriny ny olona rehetra; sivy amby folo lahy ihany mbamin’i Asahela no tsy teo ny mpanompon’i Davida. Ny mpanompon’i Davida kosa dia nahafaty enimpolo sy telonjato lahy tamin’ny Benjaminita sy ny olon’i Abnera. Ary noentiny i Asahela ka naleviny tao amin’ny fasan-drainy izay tao Betlehema. Ary nandeha mandritra ny alina i Joaba sy ny olony ka tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro. Naharitra ela ny adin’ny taranak’i Saoly sy ny taranak’i Davida, nefa i Davida dia nihanahery, fa ny taranak’i Saoly kosa dia nihaosa. Niteraka zazalahy tao Hebrona i Davida. I Amnona no lahimatoany, tamin’i Ahinoama jezirelita; i Kileaba no lahiaivo, naterany tamin’i Abigaila, ilay novinadin’i Nabala karmelita; i Absaloma no fahatelo, zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay, mpanjakan’i Gesora; i Adonia ny fahefatra, zanak’i Hagita; ny fahadimy dia i Sefatia, zanak’i Abitala; ary i Jitreama no fahenina, zanany tamin’i Egla, vadin’i Davida. Ireo no naterak’i Davida tao Hebrona. Raha mbola niady ny taranak’i Davida sy ny taranak’i Saoly dia nampiseho hery niandany tamin’ny taranak’i Saoly i Abnera. Nanana vady tsindrano i Saoly, i Rizpa no anarany, zanakavavin’i Aia. Niteny tamin’i Abnera anefa Isboseta hoe: Nahoana no nalainao ny vady tsindranon’Ikaky? Dia tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’Isboseta ka hoy izy: Lohan’alika miandany amin’ny Joda va aho? E! Izato izaho manisy soa ny taranak’i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa izaho izao dia helohinao noho ny amin’iny vehivavy iny? Hataon’Andriamanitra amin’i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’NY TOMPO tamin’i Davida ka hampiala ny fanjakana amin’ny taranak’i Saoly aho ary hampitoetra ny sezafiandrianan’i Davida amin’ny Israely sy amin’ny Joda hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba. Dia tsy nahavaly an’i Abnera intsony izy noho ny fahatahorany azy. Naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay i Abnera mba hisolo vava azy hiteny hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko dia indro homba anao ny tanako ka hampanaiky ny Israely rehetra anao. Dia hoy i Davida: Tsara izany! Hanao fanekena aminao aho. Zavatra iray loha anefa no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao raha tsy entinao atỳ i Mikala, zanakavavin’i Saoly. Ary nandefa iraka nankany amin’Isboseta, zanakalahin’i Saoly i Davida hilaza hoe: Omeo ahy i Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ny mariky ny saron-tsotsòkan’ny Filistina zato lahy. Ary Isboseta dia nandefa iraka haka an’i Mikala tany amin’i Paltiela vadiny, zanak’i Laisy. Nanaraka azy io vadiny io ka nitomany teny aorianany hatrany Bahorima. Nefa hoy i Abnera taminy: Mandehana miverina! Dia niverina izy. Dia niteny tamin’ny loholon’ny Israely i Abnera hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’i Davida ho mpanjakanareo; koa tanteraho izany ankehitriny, fa NY TOMPO efa nilaza an’i Davida hoe: Amin’ny tanan’i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Israely oloko ho afaka amin’ny tanan’ny Filistina sy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra. Niteny tamin’ny Benjaminita koa i Abnera, avy eo dia lasa izy hilaza amin’i Davida tao Hebrona izay rehetra tian’ny Israely sy ny taranak’i Benjamina rehetra hatao. Dia tonga tany amin’i Davida tao Hebrona i Abnera sy olona roapolo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’i Abnera sy ny olona nanaraka azy i Davida. Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: Hiainga aho dia handeha hamory ny Israely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’izay rehetra irin’ny fonao. Dia nampandeha an’i Abnera i Davida ka lasa soa amantsara izy. Indreo, tonga avy niady ny mpanompon’i Davida sy i Joaba ka nitondra babo maro; ary efa tsy teo amin’i Davida tao Hebrona intsony i Abnera satria efa nalefany ka lasa soa amantsara. Nony tonga i Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy dia nisy nanambara tamin’i Joaba hoe: Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera, zanak’i Nera, nefa nalefany, ka lasa soa amantsara. Dia nankao amin’ny mpanjaka i Joaba ka niteny hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao i Abnera ka nalefanao fotsiny ary afaka soa amantsara? Fantatrao anefa ny amin’i Abnera, zanak’i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany mba hahafantarany ny fihetsikao rehetra sy hahafantarany izay rehetra ataonao. Dia niala teo amin’i Davida i Joaba ka nandefa iraka hanaraka an’i Abnera ary nitondra azy niverina avy tany amin’ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo, nefa tsy fantatr’i Davida izany. Nony niverina tao Hebrona i Abnera dia noentin’i Joaba nitanila tao anaty vavahady mba hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ny kibony ka matiny ho valin’ny ran’i Asahela rahalahiny. Rehefa afaka izany dia nahare i Davida ka hoy izy: Tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan’NY TOMPO ny amin’ny ran’i Abnera, zanak’i Nera izaho sy ny fanjakako. Hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’izany; ary tsy ho tapaka amin’ny taranak’i Joaba anie ny marary mitsika, ny boka, ny mamahatra amin’ny tehina, ny lavon-tsabatra, ary ny tsy manan-kohanina. Toy izany no namonoan’i Joaba sy Abisay rahalahiny an’i Abnera noho ny namonoany an’i Asahela rahalahiny tamin’ny ady tao Gibeona. Hoy i Davida tamin’i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo ary misikìna lamba fisaonana ka aoka hisaona eo anoloan’i Abnera ianareo. Dia nanaraka ny tranovorona i Davida mpanjaka. Nalevina tao Hebrona i Abnera; ary nanandratra ny feony ny mpanjaka ka nitomany teo amin’ny fasan’i Abnera; nitomany koa ny vahoaka rehetra. Nanao hira fisaonana an’i Abnera ny mpanjaka hoe: Tahaka ny fahafatesan’ny adala va no tokony ho nahafatesan’i Abnera? Ny tananao dia tsy nifatotra ary ny tongotrao dia tsy nigadra; fa tahaka ny fiankarapok’izay asian’ny olon-dratsy no niankarapohanao. Ary mbola nitomany azy indray ny vahoaka rehetra. Dia avy hampihinan-kanina an’i Davida izy rehetra raha mbola antoandro nefa nianiana i Davida hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hanendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro. Azon’ny vahoaka rehetra ny hevitr’izany ka nankasitrahany, tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ny mpanjaka. Fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Israely rehetra ary tamin’io andro io fa tsy avy tamin’ny mpanjaka no nahafaty an’i Abnera, zanak’i Nera. Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa mpitari-tafika sady lehilahy malaza no maty androany tao amin’ny Israely? Tsy mbola manan-kery loatra aho izao na dia mpanjaka efa voahosotra aza; mafy loatra noho izaho ireo zanak’i Zeroia ireo; NY TOMPO anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony. Nony ren’ny zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrona i Abnera dia niraviravy tanana izy ary raiki-tahotra ny Israely rehetra. Ary nisy roa lahy, lehiben’ny mpiadin’ny zanakalahin’i Saoly; i Bana no anaran’ny iray ary Rekaba no anaran’ny iray, samy zanak’i Rimona berotita tamin’ny taranak’i Benjamina ireo satria i Berota koa natao ho isan’ny an’i Benjamina; ary nandositra nankany Gitaima ny Berotita dia nivahiny tany mandraka androany. Nanan-janakalahy malemy tongotra i Jonatana, zanak’i Saoly. Dimy taona izy fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny nahafatesan’i Saoly sy i Jonatana; ary noentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha noentiny nandositra tamin’ny fahatairana izy dia nianjera ka tonga malemy tongotra; i Mefiboseta no anarany. Ary nandeha i Rekaba sy i Bana, zanak’i Rimona berotita; koa rehefa nafana ny andro dia tonga tao an-tranon’Isboseta izy ireo, tamin’ilay izy nandrinandry tamin’ny antoandro iny. Dia niditra tao an-trano i Rekaba sy i Bana rahalahiny haka vary ka namely azy tamin’ny kibony dia lasa nandositra. Fa niditra tao an-trano izy roa lahy raha iny nandry teo am-pandrianany tao amin’ny efitrano fandriany iny Isboseta. Dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy. Notapahiny ny lohany ka noentiny ary nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana izy. Nitondra ny lohan’Isboseta tany amin’i Davida tao Hebrona izy ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’Isboseta, zanak’i Saoly fahavalonao izay nitady ny ainao; fa NY TOMPO efa namaly an’i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ny mpanjaka tompoko. Ary hoy i Davida tamin’i Rekaba sy i Bana rahalahiny, zanak’i Rimona berotita: Raha velona koa NY TOMPO, izay namonjy ahy tamin’ny fahoriana rehetra, ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra teny mahafaly dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga mba hanomezako azy ny valin’ny teny mahafaly noentiny! Koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony, eo am-pandrianany; moa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny rany, ary tsy hofongorako tsy ho amin’ny tany intsony va ianareo? Dia nandidy ny zatovony i Davida hamono azy ireo ka notapahiny ny tanany sy ny tongony dia nahantony teo anilan’ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’Isboseta kosa dia noentina ka nalevina tao am-pasan’i Abnera tao Hebrona. Tonga tao amin’i Davida tao Hebrona ny firenen’Israely rehetra ka niteny hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao. Fa hatry ny fahiny koa aza, raha mbola nanjaka taminay i Saoly dia ianao no efa mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary NY TOMPO efa nilaza taminao hoe: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpanapaka azy. Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Israely rehetra ary nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’NY TOMPO i Davida mpanjaka. Dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely izy ireo. Telopolo taona i Davida fony izy nanomboka nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany. Tao Hebrona no nanjakany tamin’ny Joda nandritra ny fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ny Israely sy ny Joda rehetra nandritra ny telo amby telopolo taona. Nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebosita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony, ary hoy ireo tompon-tany tamin’i Davida: Tsy ho tafiditra ato ianao; fa na dia ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao; ny heviny tamin’izany dia toy ny hoe: Tsy ho tafiditra ato i Davida. Kanjo azon’i Davida ihany ny manda fiarovana, dia i Ziona, Tanànan’i Davida izany. Ary hoy i Davida tamin’io andro io: Izay mamely ny Jebosita dia aoka hananika ny lalan-drano ka hamely ny mandringa sy ny jamba izay halan’ny fon’i Davida. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe: Izay jamba sy mandringa tsy hiditra ao amin’ny Trano. Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka ny anarany nataony hoe Tanànan’i Davida. Ary narafitr’i Davida ny manodidina, hatrany Milo, mbamin’ny ao anatiny. Dia nandroso nisandratra i Davida, satria NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no nomba azy. Nandefa iraka tany amin’i Davida Hirama, mpanjakan’i Tiro, ka nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanorina trano ho an’i Davida ireo. Dia fantatr’i Davida fa NY TOMPO no nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Israely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Israely olony. Mbola naka vady tsindrano sy vady hafa tany Jerosalema koa i Davida rehefa tonga avy tany Hebrona; ary nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’i Davida. Izao no anaran’ny naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia, Elisama, Eliada ary Elifeleta. Nony ren’ny Filistina fa efa nohosoran’ny olona ho mpanjakan’ny Israely i Davida dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Rehefa ren’i Davida anefa izany dia nidina tao amin’ny manda fiarovana izy. Dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny Lohasahan’ny Refaìta. Nanontany NY TOMPO i Davida hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy NY TOMPO tamin’i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina. Ary tonga tao Baala-Perazima i Davida ka namely ireo tao; dia hoy izy: NY TOMPO efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky, koa izany no nanaovany ny anaran’izany tany izany hoe Baala-Perazima. Nilaozan’izy ireo tao ny sampiny ka lasan’i Davida sy ny olony. Niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaìta. Ary nanontany NY TOMPO i Davida ka novaliny hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy ka ho tonga eo aminy tandrifin’ny hazo balisama ianao. Ary raha mahare fingadongadon’ny olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia haingàna; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao NY TOMPO hamely ny miaramilan’ny Filistina. Dia nanatanteraka araka ny nandidian’NY TOMPO azy i Davida ka namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrany akaikin’i Gezera. Novorin’i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin’ny Israely, telo alina no isany. Ary niainga i Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Baala-Joda mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay mipetraka eo amin’ny kerobima. Nataony teo amin’ny sarety vaovao ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ka noentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana; i Oza sy i Ahio, zanak’i Abinadaba, no nampandeha ny sarety vaovao. Dia noentiny niala tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana niaraka tamin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izany; i Ahio no nandeha teo alohan’ny vata misy ny Fanekena. I Davida sy ny taranak’Israely rehetra kosa dia nitsinjaka teo anatrehan’NY TOMPO tamin’ny karazan-javamaneno samihafa natao tamin’ny hazo kipreso, dia tamin’ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny korintsana ary ny kipantsona. Nony tonga teo amin’ny famoloanan’i Nakona izy ireo dia nanatsotra ny tanany tamin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra i Oza ka nihazona azy, satria nibolisatra ny omby. Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany. Maty teo anilan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy. Dia tezitra i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza ny anaran’izany tany izany mandraka androany. Natahotra NY TOMPO i Davida tamin’izany andro izany ka niteny hoe: Nahoana no hoentina atỳ amiko ny vata misy ny faneken’NY TOMPO? Ary tsy nety namindra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida i Davida fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita izany. Nipetraka telo volana tao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; dia notahin’NY TOMPO i Obeda-Edoma sy ny ankohonany rehetra. Ary nambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: NY TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay nananany rehetra noho ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Dia nandeha i Davida ka nampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma ho any an-Tanànan’i Davida. Rehefa namindra inenina ny mpitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono omby sy zanak’omby mifahy izy hatao fanatitra. Ary nandihy tamin’ny heriny rehetra teo anatrehan’NY TOMPO i Davida sady nisalotra efoda vita tamin’ny lamba rongony. Dia nampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tamin’ny hoby sy ny feon’ny anjomara i Davida sy ny taranak’Israely rehetra. Nony tonga teo an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nandihy teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nanabanty azy tao am-pony izy. Ary nampidirina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka napetraka teo amin’ny fitoerany tao anatin’ny tranolay izay naorin’i Davida hitoerany; ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO i Davida. Nony voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy. Nomeny mofo iray sy hena didiny iray ary mofo voaloboka iray avy ny olona rehetra, izany hoe ny Israely rehetra, na lahy na vavy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra. Mba nody koa i Davida hitsodrano ny ankohonany. Fa tonga nitsena an’i Davida i Mikala, zanakavavin’i Saoly ary hoy izy: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ny Israely androany! Ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ny zanakavavin’ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. Hoy kosa i Davida tamin’i Mikala: Teo anatrehan’NY TOMPO, izay nifidy ahy fa tsy ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Israely, olon’NY TOMPO, eny, teo anatrehan’NY TOMPO no nandihizako. Ary mbola hidina ambany kokoa noho izany aza aho ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ireo tovovavy lazainao ireo kosa aho. Tsy nanan-janaka intsony i Mikala, zanakavavin’i Saoly, mandra-pahafatiny. Rehefa nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka sady efa nampiadanin’NY TOMPO tamin’ny fahavalony rehetra manodidina azy dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natana mpaminany: Endrey, izaho ity dia mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny vata misy ny faneken’Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay! Dia hoy i Natana tamin’ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa NY TOMPO no momba anao. Ny alin’iny ihany dia tonga tamin’i Natana ny tenin’NY TOMPO hoe: Andeha lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ianao va no hanorina trano hitoerako? Tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Zanak’Israely niakatra avy tany Ejipta ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana. Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Zanak’Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny Israely oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy manorina trano sedera ho Ahy ianareo? Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha dia avy tamin’ny fiandrasana ondry, mba ho mpanapaka ny Israely oloko. Ary nomba anao tamin’izay nalehanao rehetra Aho ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’izay lehibe ambonin’ny tany ianao. Hifidy tany ho an’ny Israely oloko Aho sady hamponina azy ka handry fehizay ao amin’ny fonenany izy ary tsy hanana ahiahy intsony; ny ratsy fanahy dia tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha, tamin’ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Nolazain’NY TOMPO taminao koa fa hanao trano ho anao Izy. Koa rehefa tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ny razanao ianao dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao ary hampitoeriko ny fanjakany. Io no hanao trano ho an’ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianan’ny fanjakany ho mandrakizay. Izaho ho rainy, ary izy dia ho zanako. Raha manao izay meloka izy dia hanariko amin’ny tsorakazon’ny olona sy ny kapoky ny zanak’olombelona; nefa ny famindrampoko dia tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin’i Saoly izay nesoriko teo alohanao. Ary ny taranakao sy ny fanjakanao dia hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny sezafiandriananao dia hitoetra mandrakizay. Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain’i Natana tamin’i Davida. Dia niditra i Davida mpanjaka ka nipetraka teo anatrehan’NY TOMPO ary niteny hoe: Zinona moa aho, TOMPO Andriamanitra ô? Ary zinona ny fianakaviako, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho? Mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, TOMPO Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany no fanaon’ny olona, RY TOMPO Andriamanitra ô. Koa inona intsony no holazain’i Davida aminao? Fa Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no mahalala ny mpanomponao. Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao ireo zavatra lehibe rehetra ireo, hampahalalanao ny mpanomponao. Koa amin’izany dia lehibe Ianao, RY TOMPO Andriamanitra! Tsy misy tahaka Anao; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao raha araka izay rehetra ren’ny sofinay. Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao, izay nalehan’Andriamanitra mba havotana ho olony sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho azy sy zava-mahatahotra ho an’ny taninao teo anatrehan’ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ny firenen’i Ejipta sy ny andriamaniny? Dia nampitoerinao ho olonao mandrakizay ny Israely olonao; ary Ianao, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny. Ankehitriny, TOMPO Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao. Aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely! Aoka hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao. Fa Ianao, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, efa nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao. Noho izany, RY TOMPO Andriamanitra ô, satria Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Ianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ny mpanomponao, dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao mba haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa efa niteny izany Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay. Nony afaka izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy; ary nesorin’i Davida tamin’ny tanan’ny Filistina ny fitondrana. Nandresy ny Moabita koa izy dia nampandriany tamin’ny tany ireo ary norefesiny tamin’ny kofehy, koa ny indroan’ny kofehy dia novonoiny ary ny iray kofehy kosa dia novelominy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra. Dia resin’i Davida koa i Hadadezera, zanak’i Rehoba, mpanjakan’i Zoba, tamin’izy nampody ny fanjakany tany amoron’ny ony Eofrata. Nahazo babo taminy i Davida, dia miaramila an-tsoavaly fitonjato sy arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’i Davida avokoa ny soavalin’ny kalesy fitondra miady rehetra, fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no navelany. Tonga hanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Arameana avy tany Damaskosy; dia nahafatesan’i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Arameana. Nametrahan’i Davida miaramila koa tany amin’ny Arameana any Damaskosy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Arameana ka nandoa hetra. Fa NY TOMPO nampandresy an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany. Nalain’i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka noentiny nankany Jerosalema. Tao Beta sy Berotahy, tanànan’i Hadadezera i Davida mpanjaka no namabo varahina be dia be. Nony ren’i Toy, mpanjakan’i Hamata fa efa naharesy ny miaramilan’i Hadadezera rehetra i Davida, dia nirahin’i Toy hankany amin’i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy; fahavalon’i Toy mantsy i Hadadezera. Nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina i Jorama. Dia nohamasinin’i Davida mpanjaka ho an’NY TOMPO koa izany mbamin’ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin’ny firenena rehetra izay efa resiny, dia tamin’i Arama sy i Moaba sy ny taranak’i Amona, ny Filistina, ny Amalekita ary ny babo azony tamin’i Hadadezera, zanak’i Rehoba, mpanjakan’i Zoba. Ary nahazo laza i Davida nony niverina avy nandresy ny Arameana valo arivo sy iray alina teo amin’ny Lohasahantsira. Nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila i Edoma manontolo ka tonga mpanompon’i Davida ny mponina rehetra tany Edoma. Ary nampandresy an’i Davida NY TOMPO teny amin’izay rehetra nalehany. Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra. I Joaba, zanak’i Zeroia, no komandin’ny miaramila; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; i Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy i Ahimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary i Seraia no mpitantsoratra; ary i Benaia zanak’i Joiada, no komandin’ny Keretita sy ny Peletita ary ny zanak’i Davida no mpisorona. Ary hoy i Davida: Mbola misy sisa ihany va ny taranak’i Saoly mba hanisiako soa azy noho ny amin’i Jonatana? Ary nisy mpanompon’ny fianakavian’i Saoly, i Ziba no anarany. Nantsoina hankany amin’i Davida izy ka hoy ny mpanjaka taminy: Ianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy. Hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny taranak’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. Hoy ny mpanjaka taminy: Aiza anefa izy? Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro ao an-tranon’i Makira, zanak’i Amiela, ao Lo-Debara izy. Dia nandefa iraka haka azy tao an-tranon’i Makira, zanak’i Amiela, tao Lo-Debara, i Davida mpanjaka. Nony tonga teo amin’i Davida i Mefiboseta, zanak’i Jonatana, zanak’i Saoly dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy i Davida: Ry Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao. Ary hoy i Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’i Jonatana rainao ka hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’i Saoly rainao, ary ianao dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva. Dia niankohoka izy ka niteny hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? Dia niantso an’i Ziba, mpanompon’i Saoly, ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Izay rehetra nananan’i Saoly sy ny ankohonany rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ny tomponao. Koa ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanina ho an’ny zanakalahin’ny tomponao; fa i Mefiboseta, zanakalahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva. Nanana zanakalahy dimy amby folo sy mpanompo roapolo i Ziba. Hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ny mpanomponao. Fa ny amin’i Mefiboseta, hoy i Davida, dia hihinana eo amin’ny latabatro toy ny iray amin’ny zanakalahin’ny mpanjaka izy. Nanan-janakalahy tanora i Mefiboseta, i Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Ziba dia nanompo an’i Mefiboseta avokoa. Nonina tany Jerosalema i Mefiboseta satria teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy no nihinana. Nalemy moa ny tongony roa. Rehefa afaka izany dia maty ny mpanjakan’ny taranak’i Amona ka i Hanona zanany no nanjaka nandimby azy. Ary hoy i Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, toy ny soa nataon’ny rainy tamiko. Ary naniraka ny mpanompony i Davida mba hitsapa alahelo azy ny amin’ny rainy. Dia tonga tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona ny mpanompon’i Davida. Hoy anefa ireo mpanapaka ny taranak’i Amona tamin’i Hanona tompony: Moa heverinao ho fanajana ny rainao va no anirahan’i Davida olona hitsapa alahelo anao? Moa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’i Davida ireo mpanompony ireo hankaty aminao? Dia nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida ka noharatany ny ila somony sady notapahiny hatreo amin’ny foto-peny ny akanjony; dia nalefany hody izy ireo. Nisy lasa nanambara izany tamin’i Davida ka nandefa iraka izy hitsena azy ireo satria afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ary hoy ny tenin’ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, amin’izay vao mody ianareo. Nony hitan’ny taranak’i Amona fa tonga mangidy hoditra eo anatrehan’i Davida izy dia nanakarama ny Arameana any Bety-Rehoba sy ny Arameana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary olona arivo lahy tamin’ny mpanjakan’i Maka, ary roa arivo sy iray alina tamin’ny olona tany Toba. Nony ren’i Davida izany dia naniraka an’i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery. Dia nivoaka hiady ny taranak’i Amona ka nilahatra teo anoloan’ny vavahady; ary ny Arameana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka kosa dia nitokana teny an-tsaha. Rehefa hitan’i Joaba fa teo anoloany sady teo aorianany ny fahavalo dia nifidy olona tamin’ireo voafantina tamin’ny Israely rehetra izy ka nalahany hiady tamin’ny Arameana. Ny olona sisa kosa dia nomeny hoentin’i Abisay rahalahiny mba halahany hiady amin’ny taranak’i Amona. Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Arameana dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’i Amona dia hovonjeko ianao. Mahereza ary, koa aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika sy ny tanànan’Andriamanitsika; ary aoka NY TOMPO hanao izay sitrapony. Dia nandroso hiady tamin’ny Arameana i Joaba sy ny olona nanaraka azy ka nandositra niala teo anoloany ireo. Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Arameana dia mba nandositra niala teo anoloan’i Abisay koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary niverina avy namely ny taranak’i Amona i Joaba ka tonga tany Jerosalema. Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nivory izy ireo. Ary nandefa iraka haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata i Hadadezera ka tonga tany Helama izy ireo. I Sobaka, komandin’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy. Nony nambara tamin’i Davida izany dia nampamory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Arameana ka rafitra ny ady. Vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana. Nahafaty fitonjato an-kalesy fitondra miady sy efatra alina an-tsoavaly tamin’ny Arameana i Davida sady namely an’i Sobaka koa, ilay komandin’ny miaramila, ka nahafaty azy teo. Nony hitan’ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’ny Israely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Arameana ka tsy nety namonjy ny taranak’i Amona intsony. Rehefa niherina ny taona ka tonga ny andro fandehanan’ny mpanjaka hiady dia naniraka an’i Joaba sy ny mpanompony ary ny Israely rehetra i Davida; nandringana ny taranak’i Amona ireo sady nanao fahirano an’i Raba. I Davida kosa dia nijanona tany Jerosalema ihany. Nony harivariva dia niala tao am-pandrianany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary Ravehivavy dia tsara tarehy maha te hijery. Dia nandefa iraka hanontany ny amin-dRavehivavy i Davida. Ary nolazaina taminy hoe: Iny no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria hetita. Naniraka olona haka azy i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka nandriany kanefa vao avy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ny fahalotoany. Nody tany an-tranony Ravehivavy nony avy eo. Dia nanana anaka Ravehivavy ka nandefa iraka hilaza tamin’i Davida hoe: Manana anaka aho. Nandefa iraka tany amin’i Joaba i Davida hilaza hoe: Asaivo mankaty amiko kely i Oria hetita. Dia nasain’i Joaba nankany amin’i Davida i Oria. Nony tonga teo amin’i Davida izy dia nanontaniany ny momba an’i Joaba sy ny olona ary ny fizotry ny ady. Ary hoy i Davida tamin’i Oria: Andeha ary mody ka sasao ny tongotrao. Dia niala tao an-tranon’ny mpanjaka i Oria ary nampanarahina fanomezana avy tao amin’ny mpanjaka izy. Nandry teo am-baravaran’ny tranon’ny mpanjaka, teo amin’ny mpanompon’ny tompony rehetra anefa i Oria fa tsy nidina nody tany an-tranony akory. Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony i Oria. Dia hoy i Davida tamin’i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? Koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao? Fa hoy i Oria tamin’i Davida: Ny vata misy ny Fanekena sy ny Israely ary ny Joda dia mitoetra amin’ny trano rantsan-kazo; ary i Joaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko dia mitoby any an-tsaha, koa izaho kosa va dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hanao izany aho. Hoy i Davida tamin’i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio fa rahampitso ianao dia halefako. Dia nitoetra tany Jerosalema i Oria androtr’izay sy ny ampitson’iny. Ary nasain’i Davida izy dia nihinana sy nisotro teo anatrehany ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka avy tao izy ka nandry teo amin’ilay nandriany teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany fa tsy nidina nody tany an-tranony. Nony maraina dia nanoratra taratasy ho any amin’i Joaba i Davida ka nampitondrainy an’i Oria izany. Izao no soratra nataony tao amin’ny taratasy: Arosoy amin’ny ady mafy i Oria; dia ilaozy izy mba ho voa ka ho faty. Raha mbola nanao fahirano ny tanàna i Joaba dia nanendry an’i Oria ho eo amin’izay hitany misy lehilahy mahery. Ary ny mponina tao an-tanàna dia nivoaka hiady amin’i Joaba ka nahafatesana ny mpanompon’i Davida, ary maty koa i Oria hetita. Dia nandefa iraka hitatitra any amin’i Davida ny toetry ny ady i Joaba; ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin’ny mpanjaka ny toetry ny ady ka tezitra ny mpanjaka ary miteny aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hisy hitifitra avy eny amin’ny manda? Fa iza no namely an’i Abimeleka, zanak’i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ny manda ka maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? Dia ataovy hoe: Maty koa i Oria hetita mpanomponao. Dia nandeha ilay iraka ka tonga tany amin’i Davida ary nanambara taminy izay rehetra nanirahan’i Joaba azy. Hoy ilay iraka tamin’i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nandehanany tany an-tsaha izahay ka nenjehinay hatreo anoloan’ny vavahady kosa izy. Ary ny mpitifitra teo amin’ny manda dia nitifitra ny mpanomponao; nahafatesana ny mpanompon’ny mpanjaka, ary maty koa i Oria hetita mpanomponao. Dia hoy i Davida tamin’ny iraka: Izao no holazainao amin’i Joaba: Aza malahelo amin’izany ianao fa tsy mifidy hasiana ny sabatra; herezo ihany ny adinao amin’ny tanàna ka ravao izy. Ary ampaherezo i Joaba. Nony ren’ny vadin’i Oria fa maty ny lahy dia nisaona azy izy. Rehefa afa-tsaona izy dia nampanalain’i Davida ho any an-tranony ka tonga vadiny ary niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitraky NY TOMPO izany nataon’i Davida izany. Ary NY TOMPO naniraka an’i Natana hankao amin’i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka niteny taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna iray, ny iray mpanankarena ary ny iray mahantra. Ilay mpanankarena dia nanana ondry aman’osy sy omby betsaka; fa ilay mahantra kosa dia tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ondrivavy kely iray monja izay novidiny; nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; sombiny tamin’ny sakafon-dRalehilahy no nohaniny, ary tamin’ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zanany vavy. Ary nisy vahiny tonga tao amin’ilay mpanankarena, nefa ny ondry aman’osiny sy ny ombiny dia notsitsiny ka tsy nakany hatao sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy, fa ny zanak’ondrivavy izay an’ilay mahantra kosa no nalainy ka nataony sakafo ho an’ilay olona tonga tao aminy. Dia nirehitra mafy tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida ka hoy izy tamin’i Natana: Raha velona koa NY TOMPO, tsy maintsy hovonoina ho faty izay olona nanao izany! Ary tsy maintsy honerany avo efatra heny ilay zanak’ondrivavy noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo. Dia hoy i Natana tamin’i Davida: Ianao izany! Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely ka namonjy anao ho afaka tamin’ny tanan’i Saoly; ary nomeko anao ny tranon’ny tomponao sy ny vadin’ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenena Israely sy Joda; raha mbola tsy ampy anao izany dia ho nomeko bebe kokoa ianao. Koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin’NY TOMPO ka nanao izay ratsy eo imasony? I Oria hetita dia nasianao ny sabatra, ary ny vadiny dia nalainao ho vadinao. Eny, novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amona izy. Noho izany dia tsy hiala amin’ny taranakao mihitsy kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin’i Oria hetita ho vadinao. Izao koa no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany; hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao ary handry amin’ny vadinao amin’izao antoandrobenanahary izao izy. Nanao izany tao amin’ny mangingina ianao, fa Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan’ny Israely rehetra, amin’izao antoandrobenanahary izao. Dia hoy i Davida tamin’i Natana: Nanota tamin’NY TOMPO aho. Hoy kosa i Natana tamin’i Davida: NY TOMPO efa nanaisotra ny helokao ka tsy ho faty ianao. Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’NY TOMPO tamin’izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao. Dia nody tany an-tranony i Natana. Ary NY TOMPO namely ny zaza izay nateraky ny vadin’i Oria tamin’i Davida ka narary be ny zaza. Dia nifona tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida ka nifady hanina. Nony nody izy dia nandry tamin’ny tany mandritra ny alina. Ary nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin’ny tany ny loholona tao an-tranony; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy. Nony nandray hafitoana dia maty ny zaza. Ary natahotra hilaza ny nahafatesan’ny zaza taminy ny mpanompon’i Davida. Hoy izy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan’ny zaza? Mety hanimba tena izy. Nony hitan’i Davida anefa fa nitakoritsika ny mpanompony dia fantany fa maty ny zaza ka hoy izy tamin’ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty. Dia niarina tsy nandry tamin’ny tany intsony i Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany dia nankao amin’ny tranon’NY TOMPO ka niankohoka; ary nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso sakafo eo anoloany; dia nihinana izy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Inona izao zavatra ataonao izao? Fony mbola velona ny zaza dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza dia niarina sy nihinan-kanina kosa. Hoy izy: Fony mbola velona ny zaza dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho, fa hoy aho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko NY TOMPO ka hahavelona ny zaza, na tsia? Kanjo maty izy izao, koa nahoana aho no mbola hifady hanina ihany? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy dia tsy hiverina etỳ amiko intsony. Nampionona an’i Batseba vadiny i Davida; niditra tao aminy izy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy ka ny anarany dia nataony hoe Solomona. Ary tia azy NY TOMPO ka naniraka an’i Natana mpaminany hanao ny anaran’ny zaza hoe Jedidia, noho ny amin’NY TOMPO. Namely an’i Raban’ny taranak’i Amona i Joaba ka nahazo ny tanànan’ny mpanjaka. Dia nandefa iraka tany amin’i Davida i Joaba hilaza hoe: Namely an’i Raba aho ka nahazo ny tanàna misy rano. Koa ankehitriny, vorio ny olona sisa ka mitobia hamely ny tanàna ary aoka ho azonao izy, fandrao izaho no hahazo ny tanàna; dia hotononina araka ny anarako izy. Ary namory ny vahoaka rehetra i Davida dia nankany Raba ka namely azy ary nahazo azy. Dia nesoriny ny satroboninahitra teny an-dohan’ilay mpanjaka, talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vatosoa. Nisatrohan’i Davida izany. Ary navoakany avy tao an-tanàna ny babo be dia be azony. Koa ny olona izay navoakany dia nasainy niasa teo amin’ny tsofa sy ny ragiragy lehibe mbamin’ny famaky vy ary tao amin’ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra. Nony afaka izany dia izao no nitranga: Nanana anabavy tsara tarehy i Absaloma, zanak’i Davida, Tamara no anarany; ary tia azy i Amnona, zanak’i Davida. Nararim-pitia noho ny amin’i Tamara anabaviny i Amnona, satria virijiny izy ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy. Nana-namana i Amnona, Jonadaba no anarany, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida; ary i Jonadaba dia olona fetsy tokoa. Koa hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isanandro isanandro? Tsy tianao hambara amiko va ny antony? Dia hoy i Amnona taminy: Tia an’i Tamara, anabavin’i Absaloma rahalahiko, aho. Ary hoy i Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ny fandriananao ianao ka modia marary; ary rehefa tonga mamangy anao ny rainao dia lazao aminy hoe: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanamboatra ny sakafo eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tanany. Dia nandry i Amnona ka nody narary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka dia hoy izy taminy: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko hankaty mba hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tanany. Ary nandefa iraka nankany amin’i Tamara any an-tranony i Davida hiteny hoe: Mankanesa kely any an-tranon’i Amnona anadahinao ka manamboara sakafo ho azy. Dia nandeha nankany an-tranon’i Amnona anadahiny i Tamara; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba Razazavavy, nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony; ary nendasiny ny mofo. Dia noraisiny ny fanendasana ka narosony teo anoloany. Tsy nety nihinana anefa i Amnona. Hoy izy: Avoahy ny olona rehetra! Dia nivoaka ny trano ny olona rehetra. Ary hoy i Amnona tamin’i Tamara: Ento atỳ an’efitrano ny sakafo hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony ka noentiny tao amin’ny efitrano tao amin’i Amnona anadahiny. Nony noentiny tao aminy hohaniny izany dia nihazona an’i Tamara izy ka niteny taminy hoe: Avia handry amiko, Ranabaviko. Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, Ranadahy! Aza misavika ahy fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany; aza manao izany hadalana izany ianao. Ary ny amiko, hoentiko aiza moa ny henatro? Ianao koa dia ho toy ny iray amin’ny adala eto amin’ny Israely. Koa trara antitra ianao, lazao amin’ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy. Nefa tsy nety nihaino ny feon-dRazazavavy izy fa natanjaka noho izy; dia nanolana azy izy ka nandry taminy. Dia tonga halan’i Amnona indrindra izy ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy i Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana! Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy. Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka niteny hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity ka hidio ny varavarana rehefa tafavoaka izy! Niakanjo akanjo misoratsoratra Razazavavy; fa izany no fanaon’ny zanakavavin’ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijiny izy. Dia navoakan’ilay mpanompon’i Amnona izy ka nohidiny ny varavarana nony tafavoaka izy. Ary nasian’i Tamara lavenona ny lohany sady notriariny ny akanjo misoratsoratra izay nanaovany; dia niloloha tanana izy sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana. Hoy i Absaloma anadahiny taminy: Efa niaraka taminao va i Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, Ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Dia nitoetra tao an-tranon’i Absaloma anadahiny i Tamara sady ory. Nony ren’i Davida mpanjaka kosa izany zavatra rehetra izany dia nirehitra ny fahatezerany. Ary tsy niteny na inona na inona intsony tamin’i Amnona rahalahiny i Absaloma satria halan’i Absaloma izy noho ny nanolanany an’i Tamara anabaviny. Nony afaka roa taona dia nampanety ondry teo Baala-Hazora ao akaikin’i Efraima i Absaloma ka nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra. Nankao amin’ny mpanjaka i Absaloma ka niteny hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trara antitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao. Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Absaloma: Tsia, anaka! Aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa nanery azy ihany i Absaloma; nefa tsy nety nandeha izy fa nitsodrano azy ihany. Dia hoy i Absaloma: Raha tsy izany ary, trara antitra ianao, aoka i Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no handeha hiaraka aminao izy? Nanery azy anefa i Absaloma ka nalefany hiaraka aminy i Amnona sy ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra. Ary nanome teny ny zatovony i Absaloma hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’i Amnona azon’ny divay ka lazaiko aminareo hoe: Asio i Amnona! Dia vonoy ho faty izy, nefa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo! Ary ny zatovon’i Absaloma nanatanteraka tamin’i Amnona ny teny nomen’i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra. Raha mbola teny an-dalana izy ireo dia tonga tao amin’i Davida ny filazana hoe: Novonoin’i Absaloma avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza. Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany ary nandry tamin’ny tany; ny mpanompony rehetra kosa nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany. Ary i Jonadaba, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida, niteny hoe: Aoka ny tompoko tsy hilaza hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ny mpanjaka; fa i Amnona ihany no maty; satria i Absaloma efa nifofo azy hatramin’ny andro nanolanany an’i Tamara anabaviny. Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra; fa i Amnona ihany no maty. Dia nandositra i Absaloma. Ary nanopy ny masony ny zatovo mpitily ka nahita fa indreo, nisy olona maro avy tao aorianany, teo anilan’ny tendrombohitra. Dia hoy i Jonadaba tamin’ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin’ny mpanjaka; dia araka ny nolazain’ny mpanomponao tokoa. Nony efa voalazany izany teny izany dia indreo, tonga ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nanandratra ny feony nitomany; ary mba nitomany mafy dia mafy koa ny mpanjaka sy ny mpanompony. Fa i Absaloma kosa dia nandositra nankany amin’i Talmay, zanakalahin’i Amihoda, mpanjakan’i Gesora. Ary nisaona ny zanany naharitra i Davida. Nandositra nankany Gesora i Absaloma ka nitoetra tany nandritra ny telo taona. Dia nitsahatra tsy nanenjika an’i Absaloma intsony i Davida mpanjaka satria nionona izy noho ny amin’i Amnona izay efa maty. Nahafantatra i Joaba, zanak’i Zeroia, fa mbola nanana alahelo tamin’i Absaloma ihany ny fon’ny mpanjaka. Dia nandefa iraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry iray tany i Joaba ka nilaza taminy hoe: Miangavy anao aho, modia misaona ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-menaka ianao fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty. Dia mankanesa ao amin’ny mpanjaka ka lazao aminy araka izao. Dia nomen’i Joaba teny izy. Rehefa hiteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy avy any Tekoa dia niankohoka tamin’ny tany ary nitsaoka sady niteny hoe: Vonjeo, ry mpanjaka ô. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondratena tokoa aho, fa maty vady. Izaho mpanompovavinao dia nanan-janaka roa lahy, ary nifandìtra tany an-tsaha izy mirahalahy ka tsy nisy nampisaraka azy. Dia namely ny rahalahiny ny iray ka nahafaty azy. Ary indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka niteny hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny fa hataonay maty izy noho ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny ka hovonoinay koa ny mpandova; hovonoiny koa ny vainafoko sisa ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ny vadiko etỳ ambonin’ny tany. Ary hoy ny mpanjaka tamin-dRavehivavy: Modia ianao fa izaho no handidy ny amin’izany. Hoy ilay vehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko sy ho amin’ny ankohonan’ny raiko ny heloka; fa ny mpanjaka sy ny sezafiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny. Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko; dia tsy haninona anao intsony izy. Ary hoy Ravehivavy: Trara antitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka hahatsiaro NY TOMPO Andriamanitrao ianao, ary aoka ny mpamaly ra tsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa NY TOMPO, tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ny zanakao. Ary hoy Ravehivavy: Trara antitra ianao, aoka ny mpanompovavinao mba hanao teny indraimbava monja amin’ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary. Dia hoy Ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon’Andriamanitra? Fa amin’ny itenenan’ny mpanjaka izany zavatra izany dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsy fampodian’ny mpanjaka ilay noroahiny. Tsy maintsy maty mantsy isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ny tany izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’olona fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny. Matoa aho tonga hilaza izany zavatra izany amin’ny mpanjaka tompoko dia satria nampitahotra ahy ny olona. Ary hoy aho mpanompovavinao: Mba holazaiko amin’ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanatanteraka izay angatahin’ny mpanompovaviny. Eny, hihaino ny mpanjaka ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin’ny tanan’ny lehilahy izay ta hamongotra ahy mbamin’ny zanako hiala amin’ny lova nomen’Andriamanitra. Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin’ny mpanjaka tompoko; fa tahaka ilay Anjelin’Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa ho aminao anie NY TOMPO Andriamanitrao. Ary hoy ny mpanjaka tamin-dRavehivavy: Aza afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy Ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko. Ary hoy ny mpanjaka: Moa i Joaba va no nanosika anao hilaza izany rehetra izany? Dia hoy ny navalin-dRavehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ny mpanjaka tompoko na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia; fa i Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao. Ny hanova endrika ny raharaha no nanaovan’i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka ilay Anjelin’Andriamanitra ny tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ny tany. Hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany; koa andeha, alao hody i Absaloma zatovo. Dia niankohoka tamin’ny tany i Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy i Joaba: Fantatry ny mpanomponao androany fa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ny nanaovan’ny mpanjaka araka ny nangatahin’ny mpanompony. Dia niainga i Joaba nankany Gesora ka noentiny nankany Jerosalema i Absaloma. Nefa hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy fa aza avela hahita ny tavako. Dia nankany an-tranony i Absaloma ka tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka. Tsy nisy lehilahy tsara tarehy izay noderaina fatratra tahaka an’i Absaloma teo amin’ny Israely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy. Rehefa nanaratra ny lohany izy dia nolanjainy ny volon-dohany ka sekela roanjato no lanjany, araka ny fandanjan’ny mpanjaka; isaky ny fitsingerenan’ny taona mantsy no nanaratany azy satria nanavesatra azy ka noharatany. I Absaloma dia niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray antsoina hoe Tamara izay vehivavy tsara tarehy. Nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema i Absaloma, nefa tsy mbola nahita ny tavan’ny mpanjaka ihany izy. Ary niantso an’i Joaba i Absaloma mba hanirahany azy ho any amin’ny mpanjaka, nefa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray i Absaloma, nefa mbola tsy nety nankany ihany i Joaba. Koa hoy izy tamin’ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’i Joaba dia mifanakaiky amin’ny ahy, ary manana varimbazaha ao izy; andeha, doroy amin’ny afo izany. Ary nodoran’ny mpanompon’i Absaloma ny tanimbary. Dia niainga nankany amin’i Absaloma tao an-tranony i Joaba ka niteny taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin’ny afo? Fa hoy i Absaloma tamin’i Joaba: Indro, nandefa iraka tany aminao aho ka niteny hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ny mpanjaka hilaza hoe: Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, koa raha manan-keloka aho dia aoka hovonoiny. Dia nankany amin’ny mpanjaka i Joaba ka nanambara izany taminy. Ary nampanalain’ny mpanjaka i Absaloma ka nankao aminy. Niondrika tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka izy. Dia nanoroka an’i Absaloma ny mpanjaka. Taorianan’izany dia nanomana kalesy fitondra miady iray sy soavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo alohany i Absaloma. Ary nifoha vao maraina i Absaloma dia nijanona teo anilan’ny lalana mankeo am-bavahady, koa raha nisy olona nanana ady hoentiny any amin’ny mpanjaka hotsaraina dia nantsoin’i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin’ny tanàna Aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Ananona amin’ny fokon’ny Israely ny mpanomponao. Dia hoy i Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin’ny mpanjaka hihaino anao. Hoy koa i Absaloma: Enga anie ka izaho no ho voatendry ho mpitsara amin’ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy! Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany dia narosony ny tanany ka noraisiny sy norohany izany olona izany. Toy izany no nataon’i Absaloma tamin’ny Israely rehetra izay nankao amin’ny mpanjaka hotsaraina, hany ka lasan’i Absaloma ny fon’ny lehilahin’ny Israely. Nony afaka efatra taona dia hoy Absaloma tamin’ny mpanjaka: Trara antitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voady izay nataoko tamin’NY TOMPO. Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Arama hoe: Raha mbola hampodin’NY TOMPO any Jerosalema ihany aho dia hanompo NY TOMPO. Hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa amantsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona. Naniraka olona hitety ny fokon’ny Israely rehetra i Absaloma hilaza hoe: Raha vao mandre ny feon’ny anjomara ianareo dia miantsoa hoe: I Absaloma no mpanjaka ao Hebrona! Nisy roanjato lahy avy tany Jerosalema nasain’i Absaloma, dia nanaraka azy ireo, nefa nandeha tamin’ny fahatsoran’ny fony fa tsy nahafantatra na inona na inona. Ary raha mbola nanolotra ny fanatitra i Absaloma dia nandefa iraka naka an’i Ahitofela gilonita, mpanolotsainan’i Davida, avy tao an-tanànany, tao Gilo. Dia nihamasaka ny tetika fikomiana ka nihamaro hatrany ny olona nomba an’i Absaloma. Nisy olona tonga tao amin’i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an’i Absaloma ny fon’ny lehilahin’ny Israely. Dia hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’i Absaloma; andeha hiala haingana, fandrao malaky tonga izy ka ho tratrany eto isika dia hataony idiran-doza tampoka, ary hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna. Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanatanteraka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko! Dia niainga ny mpanjaka ka narahin’ny ankohonany rehetra. Namela folo vavy tamin’ny vady tsindranony ny mpanjaka mba hiandry trano. Niainga ny mpanjaka ka nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nijanona teo amin’ny trano farany amin’ny tanàna izy. Ary nandeha teny anilany ny mpanompony rehetra; teo koa ny Keretita sy ny Peletita rehetra mbamin’ny Gatita rehetra; dia eninjato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ny mpanjaka. Hoy ny mpanjaka tamin’Itahy gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena ka mitoera any amin’ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin’ny fonenanao. Vao omaly no nahatongavanao, koa anio va dia hoentiko manjenjena hiaraka aminay ianao? Fa mandeha any amin’izay azoko aleha aho, koa mandehana ianao miverina ary ento hiara-miverina aminao ny rahalahinao. Ho aminao anie ny famindrampo sy ny fahamarinana! Hoy anefa Itahy tamin’ny mpanjaka: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, dia izay hitoeran’ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ny mpanomponao. Ary hoy i Davida tamin’Itahy: Andeha ary, mandrosoa! Dia nandroso Itahy gatita sy ny olony rehetra mbamin’ny zaza amam-behivavy rehetra izay teo. Nitomany nikaikaika ny olona rehetra, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ny lalana mankany an-tany efitra. Dia indro koa i Zadoka sy ny levita rehetra nanaraka azy nitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Napetrany ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, ary niakatra i Abiatara, mandra-pahatapitra ny olona rehetra avy tao an-tanàna. Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Fa raha mahita fitia eo imason’NY TOMPO aho dia mbola hoentiny miverina ihany ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany. Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanatanteraka amiko izay heveriny ho tsara. Hoy koa ny mpanjaka tamin’i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? Miverena soa amantsara any an-tanàna ianao mbamin’ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo dia i Ahimaza zanakao sy i Jonatana, zanak’i Abiatara. Indro, izaho dia hijanonjanona eny amin’ny tanetin’ny tany efitra mandra-pahatongan’izay teny hambaranareo amiko. Ary nitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany i Zadoka sy Abiatara ka nitoetra tany. Niakatra teny an-tendrombohitra Oliva i Davida. Nitomany teny am-piakarana izy sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy koa dia samy nisaron-doha sy niakatra am-pitomaniana avokoa. Dia nisy nanambara tamin’i Davida hoe: I Ahitofela koa dia mba isan’ny mpiray tetika amin’i Absaloma. Dia hoy i Davida: Mitaraina aminao aho, TOMPO ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’i Ahitofela! Nony tonga teo an-tampon’ny tendrombohitra, teo amin’ny toerana fivavahan’ny olona tamin’Andriamanitra i Davida dia indro, avy hitsena azy i Hosay arkita, rovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany. Dia hoy i Davida taminy: Ho tonga enta-mavesatra amiko ianao raha miara-mandroso amiko; fa raha miverina any an-tanàna kosa ianao ka hiteny amin’i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon’ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao aho, dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon’i Ahitofela. Moa tsy ao aminao va i Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ny mpanjaka dia ambarao amin’i Zadoka sy Abiatara mpisorona. Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia i Ahimaza, zanak’i Zadoka sy i Jonatana, zanak’i Abiatara; izy ireo no asainareo mitatitra atỳ amiko izay rehetra renareo. Dia tonga tany an-tanàna i Hosay, sakaizan’i Davida, tamin’ny nahatongavan’i Absaloma tany Jerosalema. Raha vao nihilana kely avy teo an-tampon’ny tendrombohitra i Davida dia indro, nitsena azy i Ziba mpanompon’i Mefiboseta, mitondra boriky roa voaisy lasely sady nampitondraina mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray siny hoditra. Hoy ny mpanjaka tamin’i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ireto? Dia hoy i Ziba: Ny boriky dia ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka mba hitaingenany, ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra dia hohanin’ny zatovo, ary ny divay kosa dia hosotroin’izay reraka any an-tany efitra. Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ny tomponao? Hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ny taranak’Israely ny fanjakan’Ikaky ho ahy. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Ziba: Indro, anao izay rehetra an’i Mefiboseta. Ary hoy i Ziba: Miankohoka aho! Aoka mba hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko. Nony nanakaiky an’i Bahorima i Davida mpanjaka dia indro, nisy lehilahy, taranak’i Saoly, Simey no anarany, zanak’i Gera izy. Nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana. Ary nitora-bato an’i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra moa dia teo amin’ny ankavanan’ny mpanjaka sy teo amin’ny ankaviany. Hoy ny fanozon’i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-dra sy tena ratsy fanahy! Nataon’NY TOMPO manody anao izao ny ran’ny taranak’i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; NY TOMPO kosa nanome ny fanjakana ho eo an-tanan’i Absaloma zanakao; ary indro, efa idiran-doza ianao izao, satria mpandatsa-dra. Ary hoy i Abisay, zanak’i Zeroia, tamin’ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trara antitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany! Nefa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’i Zeroia? Raha manozona izy, NY TOMPO no niteny taminy hoe: Ozòny i Davida! Iza indray ary no hiteny hoe: Nahoana ianao no manao izany? Hoy koa i Davida tamin’i Abisay sy tamin’ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjaminita io! Avelao ihany izy hanozona, fa NY TOMPO no nampanao azy izany. Angamba NY TOMPO hamindra fo amiko ny amin’ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao. Nony nandeha teny an-dalana i Davida sy ny olony dia nandeha tamin’ny ilan’ny havoana tandrifiny kosa i Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy ary namafy vovoka. Dia tonga ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka ka naka aina teo izy ireo. Tonga tany Jerosalema i Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin’ny Israely, ary i Ahitofela koa dia teo aminy. Ary tonga tao amin’i Absaloma i Hosay arkita, sakaizan’i Davida ka niteny taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka! Nefa hoy i Absaloma tamin’i Hosay: Izao va no fitiavanao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny sakaizanao? Hoy i Hosay tamin’i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’NY TOMPO sy ireto vahoaka ireto mbamin’ny lehilahin’ny Israely, izy no hombako sady ao aminy no hitoerako. Koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan’ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa. Hoy i Absaloma tamin’i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika. Dia hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: Midira ao amin’ny vady tsindranon’ny rainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ny Israely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao ka hahery ny tanan’izay rehetra momba anao. Dia nanorina tranolay ho an’i Absaloma teo an- tampon-trano ny olona; ary niditra tao amin’ny vady tsindranon’ny rainy teo imason’ny Israely rehetra i Absaloma. Tamin’izany fotoana izany, ny tolo-tsaina rehetra avy tamin’i Ahitofela dia noraisina ho toy ny avy amin’Andriamanitra mihitsy, ary na i Davida na i Absaloma dia samy nandray azy ho toy izany koa. Hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo sy iray alina ka hiainga hanenjika an’i Davida anio alina. Ho tonga ao aminy aho amin’ilay izy mbola sasatra sy reraka iny; hotairiko izy ka handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy fa ny mpanjaka ihany no hasiako. Haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra avy eo; miankina amin’io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan’ny vahoaka rehetra ka hiadana ny olona rehetra. Dia sitrak’i Absaloma sy ny loholon’ny Israely rehetra izany. Kanefa hoy i Absaloma: Mba antsoy kosa i Hosay arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny. Nony tonga teo amin’i Absaloma i Hosay dia hoy i Absaloma taminy: Izany no hevitr’i Ahitofela; koa hanatanteraka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao? Hoy i Hosay tamin’i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon’i Ahitofela tamin’ity indray mandeha ity. Hoy ihany i Hosay: Ianao mahafantatra ny rainao sy ny olony fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin’ny vahoaka raha alina. Fa indro, miery any amin’ny lavaka iray izy izao, na any amin’ny toeran-kafa ka raha misy resiny amin’ny voalohany, izay mandre izany dia hiteny hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an’i Absaloma, ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon’ny liona aza dia ho ketraka tokoa; satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny. Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba fa toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, ary ny tenanao mihitsy no hiantafika. Dia ho tonga ao aminy amin’izay fitoerana iray hahitana azy isika ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany; dia tsy hasiantsika miangana na iray akory aza izy mbamin’izay olona rehetra manaraka azy. Fa raha miditra an-tanàna izy dia hitondran’ny Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany ka hotarihintsika ho any amin’ny ony ambara-paha tsy hisy na dia vato kely iray aza ho hita ao. Ary hoy i Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ny Israely: Tsara noho ny torohevitr’i Ahitofela ny torohevitr’i Hosay arkita. Fa efa notendren’NY TOMPO ny hahafoana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela mba hampidiran’NY TOMPO loza amin’i Absaloma. Dia hoy i Hosay tamin’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona: Izany sy izany no hevitra nomen’i Ahitofela an’i Absaloma sy ny loholon’ny Israely; ary izao sy izao kosa no hevitra nomeko azy. Koa maniraha olona haingana izao ary ambarao amin’i Davida hoe: Aza mitoetra any amin’ny tanetin’ny tany efitra anio alina fa mità haingana, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra miaraka aminy. Ary nitoetra tao Eny-Rogela i Jonatana sy i Ahimaza satria tsy sahy niseho tao an-tanàna. Nisy mpanompovavy iray nivezivezy nitatitra tamin’izy ireo; izy roa lahy kosa dia nanambara tany amin’i Davida mpanjaka. Nisy zatovo iray nahita azy ireo ka nanambara tamin’i Absaloma; nefa lasa haingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon’olona tao Bahorima izay nisy lavaka fantsakana teo an-tokotaniny; dia nidina tao izy roa lahy. Dia naka rakotra ny vadin-dRalehilahy ka novelariny teo am-bavan’ny lavaka fantsakana; dia nanahy koba teo amboniny izy ka tsy nisy nahafantatra. Nony tonga tao amin-dRavehivavy tao an-trano ny mpanompon’i Absaloma dia niteny hoe: Aiza i Ahimaza sy i Jonatana teto? Fa hoy Ravehivavy taminy: Efa tafita ny renirano kely izy izay. Nony efa nitady izy ireo ka tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema Rehefa lasa ireo dia niakatra avy ao amin’ny lavaka fantsakana izy roa lahy ka lasa nandeha ary nanambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: Miaingà ka mità haingana ny rano; fa izany no hevitra nataon’i Ahitofela hamelezana anareo. Dia niainga i Davida sy ny olona nanaraka azy ka nita an’i Jordana; ary nony maraina ny andro dia tsy nisy tsy tafita an’i Jordana na dia olona iray aza. Nony hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny hevitra nataony dia nasiany lasely ny borikiny, ary niainga izy ka nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy dia nananton-tena ka maty ary nalevina tao amin’ny fasan’ny rainy. Tonga tao Mahanaima i Davida. Ary nita an’i Jordana i Absaloma, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin’ny Israely izay nanaraka azy. I Amasa no notendren’i Absaloma ho komandin’ny miaramilany ho solon’i Joaba; i Amasa moa dia zanak’ilay Israelita antsoina hoe Jitira, ilay nandry tamin’i Abigaila, zanakavavin’i Nahasy sady rahavavin’i Zeroia, renin’i Joaba. Nitoby tany amin’ny tany Gileada ny Israely sy i Absaloma. Nony tonga tao Mahanaima i Davida dia indreo, tamy i Soby, zanak’i Nahasy, avy any Raban’ny taranak’i Amona sy i Makira, zanak’i Amiela, avy any Lo-Debara ary i Barizilay gileadita, avy any Rogelima, avy mitondra fandriana sy lamba volonondry, vilany tany sy varimbazaha isan-karazany, koba, lango, tsaramaso, voanemba, voanemba voaendy, tantely, rononomandry, ondry ary zanak’omby ho an’i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-tany efitra ny vahoaka. Nandamina ny olona izay nomba azy i Davida ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hitarika azy. Ary nampandeha ny olona i Davida, koa ny ampahatelony dia nofehezin’i Joaba, ny ampahatelony dia nofehezin’i Abisay, zanak’i Zeroia, rahalahin’i Joaba, ary ny ampahatelony sisa kosa dia nofehezin’Itahy gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: Izaho koa dia tsy maintsy handeha hiaraka aminareo. Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay handeha ianao! Fa raha mandositra izahay dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay dia tsy hahoany akory; fa ianao no tahaka ny iray alina aminay; koa tsara raha avy ao an-tanàna ianao no mamonjy anay. Hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra dia niainga hiady, isan-jato sy isan’arivo. Ary nandidy an’i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’i Absaloma zatovo! Ny olona rehetra koa dia nahare ny nandidian’ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’i Absaloma. Dia nandeha teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ny Israely ka rafitra tao amin’ny alan’i Efraima ny ady. Resy teo anoloan’ny mpanompon’i Davida tao ny lehilahin’ny Israely ka be dia be no ringana androtr’izay: Olona roa alina. Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; koa ny maty tao anaty ala tamin’io andro io dia be noho ny matin’ny sabatra. Nifanehatra tamin’ny mpanompon’i Davida i Absaloma. Nitaingina ampondra izy ary nandeha teo ambanin’ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ny hazo terebinta ny ampondra. Voahazon’ny hazo terebinta ny lohan’i Absaloma ka nikiraviravy teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy, satria lasa ny ampondra nitaingenany. Nisy lehilahy iray nahita izany ka nanambara tamin’i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin’ny hazo terebinta i Absaloma. Ary hoy i Joaba tamin’ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao izy hianjera amin’ny tany? Tsy maintsy ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehikibo ianao raha nanao izany. Fa hoy Ralehilahy tamin’i Joaba: Na dia efa tonga eo an-tanako aza ny sekela volafotsy arivo dia tsy hanainga ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ny mpanjaka anao sy i Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’i Absaloma zatovo. Koa raha nanao zavatra am-pitaka taminy hahavery ny aiko aza aho dia tsy misy zavatra azo afenina amin’ny mpanjaka; ary na ianao io aza dia ho nihatakataka tamiko. Dia hoy i Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany izy ka natsatony tamin’ny fon’i Absaloma, tamin’izy mbola velona teo amin’ny hazo terebinta iny. Nisy koa zatovo folo, mpitondra ny fiadian’i Joaba, nanodidina an’i Absaloma ka namely azy ho faty. Dia nitsoka ny anjomara i Joaba ka nitsahatra tsy nanenjika ny Israely intsony ny vahoaka, satria nandrara azy ireo i Joaba. Dia nalain’ny olona i Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe iray tao anaty ala; dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny Israely rehetra. Fony mbola velona i Absaloma dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangambato ho an’ny tenany tao an-dohasahan’ny mpanjaka, satria hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; dia nataony araka ny anaran’ny tenany ihany ilay tsangambato, koa ny anarany dia mbola antsoina hoe Fahatsiarovana an’i Absaloma mandraka androany. Dia hoy i Ahimaza, zanak’i Zadoka: Aleo aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ny mpanjaka ny amin’ny nanomezan’NY TOMPO azy ny rariny ka nahafahany tamin’ny fahavalony. Fa hoy i Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao raha mandeha anio satria maty ny zanakalahin’ny mpanjaka, fa amin’ny andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao. Ary hoy i Joaba tamin’ity Kosita iray: Andeha, ambarao amin’ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary niankohoka teo anatrehan’i Joaba ilay Kosita dia lasa nihazakazaka. Fa mbola niteny tamin’i Joaba ihany i Ahimaza, zanak’i Zadoka hoe: Na inona na inona hitranga, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy i Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao dia tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona? Na inona na inona hitranga, hoy izy, aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy i Joaba taminy: Miezaha ary. Ary niezaka tamin’ny lalana eny amin’ny lemaka i Ahimaza ka nihoatra an’ilay Kosita. Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida; ary niakatra teo ambony vavahady teo amin’ny manda ny mpitily ka nanopy ny masony dia nahita fa indrỳ misy lehilahy iray mihazakazaka. Dia niantso ny mpitily ka nilaza tamin’ny mpanjaka. Hoy ny mpanjaka: Raha irery izy dia ho teny mahafaly no entiny. Mbola nihananatona ihany Ralehilahy. Nahita lehilahy iray nihazakazaka koa ny mpitily ka niantso ny mpiandry vavahady hoe: Indrỳ koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy. Ary hoy ny mpitily: Raha ny fahitako azy dia tahaka ny fihazakazak’i Ahimaza, zanak’i Zadoka, no fihazakazak’ilay aloha. Hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no iaviany. Ary niantso i Ahimaza ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Fiadanana! Sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka izy no niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao, izay efa nanolotra ilay olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko. Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va i Absaloma zatovo? Fa hoy i Ahimaza: Tamin’ny nanirahan’i Joaba ny mpanompon’ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mihataha kely ary ka mijoroa etsy. Dia nihataka izy ka nijoro teo. Dia indro, avy ilay Kosita ka niteny hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly! Fa efa nanome anao ny rariny NY TOMPO ka nahafaka anao ankehitriny tamin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita: Tsara ihany va i Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny. Dia niontana terỳ ny fon’ny mpanjaka ka niakatra nankao amin’ny efitrano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana no niteny hoe: Ry Absaloma, zanako, ry zanako! Ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao. Ry Absaloma zanako, ry zanako ô! Nambara tamin’i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an’i Absaloma ny mpanjaka. Ary ny fandresena tamin’iny andro iny dia tonga fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra, satria ren’ny vahoaka tamin’io andro io ny filazana hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka. Dia niakatra an-tsokosoko tao an-tanàna ny olona tamin’io andro io, toy ny fisokosokon’ny olona menatra raha mandositra amin’ny ady. Fa nanarona ny tavany ny mpanjaka sady nidradradradra tamin’ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako! Ry Absaloma, zanako, ry zanako ô! Ary niditra tao amin’ny mpanjaka tao an-trano i Joaba ka niteny hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao sy ny ain’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ary ny ain’ny vadinao sy ny vady tsindranonao; fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona i Absaloma ka izahay rehetra no maty androany dia izany no sitrakao. Koa mitsangàna ankehitriny ka mivoaha ny trano ary manaova teny fampaherezana amin’ny mpanomponao; fa mianiana amin’NY TOMPO aho fa raha tsy mivoaka ianao dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; koa izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny. Dia nivoaka ny trano ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ny vahoaka rehetra hoe: Indro, mijanona eo am-bavahady ny mpanjaka. Ary nankeo anatrehan’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra. Samy efa lasa nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny Israely. Dia mifanditra ny vahoaka rehetra tamin’ny fokon’ny Israely hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ny tanan’ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ny tanan’ny Filistina; nefa nandositra niala tamin’ny tany izy ankehitriny noho ny amin’i Absaloma. Efa maty tamin’ny ady i Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin’ny hampodiana ny mpanjaka? Ary nandefa iraka tany amin’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona i Davida mpanjaka hiteny hoe: Lazao amin’ny loholon’ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? Satria ny tenin’ny Israely rehetra dia efa tonga tao amin’ny mpanjaka tao an-tranony. Rahalahiko ianareo sady taolako sy nofoko; koa nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka? Lazao amin’i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ho komandin’ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon’i Joaba ianao. Dia nampitodika ny fon’ny lehilahy rehetra amin’ny Joda ho toy ny olona iray izy, koa nandefa iraka tany amin’ny mpanjaka hiteny hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra. Dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary tonga tao Gilgala ny Joda mba hitsena ny mpanjaka ka hitondra azy hita an’i Jordana. Ary nidodododo nidina niaraka tamin’ny lehilahin’ny Joda i Simey, zanak’i Gera, Benjaminita avy any Bahorima, mba hitsena an’i Davida mpanjaka. Nisy Benjaminita arivo lahy koa nanaraka azy. Teo koa i Ziba, mpanompon’ny taranak’i Saoly, mbamin’ny zanany lahy dimy amby folo sy ny mpanompony roapolo lahy izay nanaraka azy. Nita an’i Jordana teo alohan’ny mpanjaka izy ireo. Dia navoivoy teo ny lakana mba hampitana ny ankohonan’ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Nony efa hita an’i Jordana ny mpanjaka dia indro i Simey, zanak’i Gera, niankohoka teo anatrehany. Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: Aoka tsy hisain’ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ny mpanomponao tamin’ny andro nivoahan’ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy hoeritreretin’ny mpanjaka izany; fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka e! Izaho no avy voalohany androany amin’ny taranak’i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko. Hoy anefa i Abisay, zanak’i Zeroia: Tsy hovonoina noho izany va i Simey, satria efa nanozona ny voahosotry NY TOMPO? Dia hoy i Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hovonoina va eto amin’ny Israely anio? Moa tsy fantatro va fa izaho no mpanjakan’ny Israely anio? Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Simey: Tsy ho faty ianao. Ary nianiana taminy ny mpanjaka. Nidina hitsena ny mpanjaka i Mefiboseta, zanakalahin’i Saoly; tsy nanasa tongotra izy na nanamboatra volombava na nanasa lamba hatramin’ny andro nialan’ny mpanjaka ka hatramin’ny andro nahatongavany soa amantsara. Nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta? Dia hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin’ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin’ny mpanjaka, fa malemy tongotra moa ny mpanomponao; nefa nendrikendrehiny tamin’ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao. Fa ny mpanjaka tompoko dia toy ilay irak’Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao. Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan’ny mpanjaka tompoko; nefa ianao dia nampitoetra ahy mpanomponao ho isan’izay mihinana amin’ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin’ny mpanjaka? Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa efa nilaza aho hoe: Ianao sy i Ziba no hizara ny tany. Hoy i Mefiboseta tamin’ny mpanjaka: Aoka ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko dia efa tonga soa amantsara ao amin’ny tranonao indray. Nidina avy tany Rogelima i Barizilay gileadita; dia niara-nita an’i Jordana tamin’ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an’i Jordana. I Barizilay dia lehilahy antitra, efa valopolo taona; nanome hanina ny mpanjaka izy raha nitoetra tany Mahanaima ny mpanjaka; fa mpanankarem-be tokoa izy. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Barizilay: Andeha hiara-mita amiko ianao ka hovelomiko any amiko any Jerosalema. Hoy anefa i Barizilay tamin’ny mpanjaka: Firy taona moa sisa no hahavelomako, no hiara-miakatra amin’ny mpanjaka hankany Jerosalema aho? Valopolo taona izay ny andro nahavelomako ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon’ny mpihira lahy sy ny mpihira vavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin’ny mpanjaka tompoko? Kely foana no handehanan’ny mpanomponao eo andafin’i Jordana hiaraka amin’ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy toy izany? Trara antitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho faty any amin’ny vohitro ao akaikin’ny fasan’Ikaky sy Ineny. Fa indro i Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin’ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao. Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa i Kimama ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao. Ary nita an’i Jordana ny vahoaka rehetra. Nony tafita ny mpanjaka dia norohany i Barizilay sady notsofiny rano. Dia lasa nody ho any amin’ny fonenany i Barizilay. Dia nandroso nankany Gilgala ny mpanjaka ary niaraka taminy i Kimama. Nanatitra ny mpanjaka koa ny vahoaka rehetra tamin’ny Joda sy ny antsasaky ny vahoakan’ny Israely. Ary indreo, ny lehilahin’ny Israely rehetra dia nankao amin’ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ny lehilahin’ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon’i Davida rehetra teny aminy hita an’i Jordana? Dia namaly ny lehilahin’ny Israely ny lehilahin’ny Joda rehetra hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; koa ahoana no mahatezitra anareo amin’izany? Nandany ny harenan’ny mpanjaka va izahay sa nanome zavatra anay akory va izy? Namaly ny lehilahin’ny Joda kosa ny lehilahin’ny Israely hoe: Izahay dia manana anjaram-polo amin’ny mpanjaka; eny, izahay dia manana an’i Davida mihoatra noho ianareo; koa nahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo fa hampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin’ny lehilahin’ny Joda dia mahery kokoa noho ny tenin’ny lehilahin’ny Israely. Sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, i Seba no anarany, zanak’i Bikry benjaminita; nitsoka ny anjomara izy sady niantsoantso hoe: Isika dia tsy manana anjara amin’i Davida na lova amin’ny zanak’i Jese! Samia mody any amin’ny tranolainy avy, ry Israely ô! Dia samy niara-nandao an’i Davida ny lehilahin’ny Israely ka nanaraka an’i Seba, zanak’i Bikry; fa ny lehilahin’ny Joda no nifikitra tamin’ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema. Nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida mpanjaka dia nalainy ny vady tsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanambady intsony. Hoy ny mpanjaka tamin’i Amasa: Vorio ho eto amiko ao anatin’ny hateloana ny lehilahin’ny Joda, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao. Dia lasa namory ny Joda i Amasa, nefa nandiso ny fotoana nifanaovana taminy izy. Ary hoy i Davida tamin’i Abisay: Ankehitriny izao dia i Seba, zanak’i Bikry, no ahitantsika loza mihoatra noho i Absaloma; koa ento ny mpanompon’ny tomponao ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika. Dia niainga hanenjika azy ny olon’i Joaba mbamin’ny Keretita sy ny Peletita ary ny lehilahy mahery rehetra; nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry. Nony tonga tao amin’ilay vato lehibe tao Gibeona izy dia avy i Amasa nitsena azy. Niakanjo fanamiana fitondra miady i Joaba ka nafehy azy teo an-tsikinany ny fehikibony mbamin’ny trano-tsabany; ary nony nandeha izy dia latsaka ny sabatra. Ary hoy i Joaba tamin’i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin’i Joaba tamin’ny tanany havanana ny somotr’i Amasa horohany. Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Joaba anefa i Amasa ka nasiany tamin’ny kibony dia nivaroraka tamin’ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony izy, fa matiny tamin’izay ihany. Ary nanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry i Joaba sy i Abisay rahalahiny. Dia nijanona teo anilan’ny faty ny zatovon’i Joaba iray ka niteny hoe: Izay miandany amin’i Joaba sy i Davida dia aoka hanaraka an’i Joaba. Ary nihosin-dra teo anaty lalambe i Amasa ka nony hitan-dRalehilahy fa nijanona ny olona rehetra dia nafindrany niala teo amin’ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’i Amasa ary nosaronany lamba, satria hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy. Rehefa nafindrany niala teo amin’ny lalambe izy dia nizotra nanaraka an’i Joaba ny olona rehetra hanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry. Nandeha namakivaky ny fokon’ny Israely rehetra hatrany Abela-Bety-Maka sy ny Berita rehetra izy; ary nivory ireo ka mba lasa nanaraka azy. Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano azy teo Abela-Bety-Maka, ary nanandratra tovon-tany teo anilan’ny tanàna izy ka teo ivelany manolotra ny manda no niankinany; ary ny olona izay nomba an’i Joaba dia namely ny manda mba handrava azy. Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e! Miangavy anareo aho, lazao amin’i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao! Nony tonga teo akaiky izy dia hoy Ravehivavy: Ianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy! Hoy Ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao. Ary hoy Ravehivavy: Izao no fitenin’ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany no nahavitany ny raharaha. Izaho dia isan’ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ny Israely, fa ianao kosa dia mitady handrava renivohitra eto amin’ny Israely. Koa ahoana no hamongoranao ny lovan’NY TOMPO? Ary namaly i Joaba hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana! Tsy izany tsy akory. Fa misy lehilahy avy amin’ny tany be havoana any Efraima, Seba no anarany, zanak’i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy; dia hiala amin’ny tanàna aho. Ary hoy Ravehivavy tamin’i Joaba: Indro, ny lohany dia hatsipy any aminao any ambadiky ny manda. Dia lasa nanatona ny vahoaka Ravehivavy ka nanome azy izany torohevitra feno fahendrena izany. Dia notapahin’ireo ny lohan’i Seba, zanak’i Bikry, ka natsipiny teny amin’i Joaba. Ary nitsoka ny anjomara i Joaba ka niala tamin’ny tanàna samy ho any amin’ny tranolainy avy ny olona. Ary niverina nankany Jerosalema ho any amin’ny mpanjaka i Joaba. I Joaba no komandin’ny miaramila rehetra tamin’ny Israely; i Benaia, zanak’i Joiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; i Adorama no lehiben’ny mpanao fanompoana; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; i Seva no mpanoratra; i Zadoka sy i Abiatara no mpisorona; ary Ira jairita koa no mpisorona ho an’i Davida. Nisy mosary nandritra ny telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida, ary nanontany tamin’NY TOMPO i Davida ka hoy NY TOMPO: Avy amin’ny taranak’i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-dra izao, satria namono ny Gibeonita izy. Nampiantso ny Gibeonita ny mpanjaka ka niteny taminy. Ny Gibeonita dia tsy mba isan’ny Zanak’Israely, fa sisa tamin’ny Amorita, ary ny Zanak’Israely dia efa nianiana taminy, nefa nitady izay hamelezany azy i Saoly tamin’ny firehetan’ny fitiavany ny Zanak’Israely sy ny Joda. Hoy koa i Davida tamin’ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin’inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan’NY TOMPO? Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay dia tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin’i Saoly na amin’ny taranany, sady tsy mahazo mamono olona amin’ny Israely. Ary hoy izy: Koa inona ary no tianareo hataoko ho anareo? Dia hoy izy ireo tamin’ny mpanjaka: Nisy lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin’ny tanin’ny Israely rehetra, koa avelao hisy fito lahy amin’ny zanany no hatolotra anay hosamatsamahinay ho an’NY TOMPO ao Gibean’i Saoly, ilay voafidin’NY TOMPO. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy ireo. Fa ny mpanjaka dia niaro an’i Mefiboseta, zanak’i Jonatana, zanak’i Saoly, noho ny fianianana tamin’NY TOMPO nataon’i Davida sy i Jonatana, zanak’i Saoly. Ary ny mpanjaka dia naka azy roa lahy zanak’i Rizpa, zanakavavin’i Aia, izay naterany tamin’i Saoly, dia i Armony sy i Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak’i Mikala, zanakavavin’i Saoly, izay naterany tamin’i Adriela, zanak’i Barizilay, ilay meholatita, dia natolony teo an-tanan’ny Gibeonita ireo ka nosamatsamahin’ireo teo amin’ny havoana teo anatrehan’NY TOMPO; ary niara-maty izy fito lahy, samy novonoiny tamin’ny niandohan’ny fararano, tamin’ny fiandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha. Ary naka lamba fisaonana i Rizpa, zanakavavin’i Aia; novelariny teo amin’ny vatolampy mba hitoerany hatramin’ny fiandohan’ny taom-pijinjana izany ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ny faty. Tsy navelany hipetrahan’ny voromanidina ireo raha antoandro, na ny bibidia raha alina. Ary nambara tamin’i Davida izay nataon’i Rizpa, zanakavavin’i Aia, vady tsindranon’i Saoly. Dia lasa i Davida naka ny taolan’i Saoly sy ny taolan’i Jonatana zanany tany amin’ny mponina tao Jabesy-Gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana tany Bety-Sana, ilay nanantonan’ny Filistina azy tamin’ny andro namonoan’ny Filistina an’i Saoly tao Gilboa. Dia noentiny niakatra avy tany ny taolan’i Saoly sy ny taolan’i Jonatana zanany ary nangoniny koa ny taolan’ireo voahantona ireo. Ny taolan’i Saoly sy i Jonatana zanany dia nalevin’ny olona tao amin’ny tanin’ny Benjamina tao Zela, tao amin’ny fasan’i Kisy rainy; notanterahiny avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka. Koa rehefa vita izany dia neken’Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ny tany. Niady indray ny Filistina sy ny Israely; ary nidina i Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy ka niady tamin’ny Filistina. Nahatsiaro reraka i Davida. I Jisby-Benoba izay isan’ny taranaky ny Refaìta, dia nanana lefona varahina milanja telonjato sekela; nitondra fiadiana vaovao izy ka nikasa hahafaty an’i Davida. Namonjy an’i Davida kosa i Abisay, zanak’i Zeroia, ka namely ilay Filistina ary nahafaty azy. Tamin’izay ny olon’i Davida dia nianiana taminy ka niteny hoe: Tsy hiara-mandeha aminay ho amin’ny ady intsony ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ny Israely. Taorianan’izany dia nisy ady tamin’ny Filistina indray tao Goba. Matin’i Sibeka hosatita tao i Safa, izay isan’ny taranaky ny Refaìta. Nisy ady tamin’ny Filistina indray koa tao Goba, ary namono an’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona, i Elanana, zanak’i Jare-Oregima betlehemita. Ary nisy ady koa tao Gata. Nisy lehilahy vaventy izay enin-drantsana ka efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ary izy io koa dia teraky ny Refaìta. Nihantsy ny Israely izy ka matin’i Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida. Ireo efatra ireo no teraky ny Refaìta tao Gata, samy matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony avokoa ireo. Nanao izao hira izao ho an’NY TOMPO i Davida tamin’ny andro namonjen’NY TOMPO azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly. Hoy izy: NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary mpanafaka ahy, Andriamanitro vatolampiko, Izy no ialofako, ampingako sy tandroka famonjena ahy Izy ary fiarovana avo ho ahy sy toeram-pandosirako; ry Mpamonjy ahy, manafaka ahy amin’ny fampahoriana Ianao. Miantso NY TOMPO izay mendrika hoderaina aho ka vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko. Satria nihodidina tamiko ny onjan’ny fahafatesana ary ny riaky ny faharatsiam-panahy dia naha raiki-tahotra ahy. Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fitoeran’ny maty, nanoloana ahy ny fandriky ny fahafatesana. Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary ny fitarainako dia tonga eo an-tsofiny. Nihozongozona sy nihorohoro ny tany ary ny fiorenan’ny lanitra dia nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra NY TOMPO. Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony ary afo avy teo am-bavany no nandevona sady nisy vainafo nidedadeda teo. Naondriny ny lanitra ka nidina Izy ary haizim-pito no teo ambanin’ny tongony. Nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, niseho teo amin’ny ela-drivotra Izy. Nanao ny haizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia ranobe mihandrona sy rahona matevina. Avy teo amin’ny famirapiratana teo anoloany dia nisy vainafo nidedadeda. Nampikotroka tany an-danitra NY TOMPO, niloa-peo ny Avo Indrindra. Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko ary nampandeha tselatra ka nampifanaritaka azy. Dia niseho ny fanambanin’ny ranomasina ary nihanjahanja ny fanorenan’ny tany, noho ny teny mafy nataon’NY TOMPO, noho ny fifofofofon’ny fofonain’ny vavorony. Nanatsotra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nisintona ahy niala tamin’ny ranobe Izy. Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny. Nisakana ahy ireny tamin’ny andro nahitako loza, nefa NY TOMPO no nanohana ahy. Namoaka ahy ho any amin’ny malalaka Izy; nanafaka ahy Izy satria tiany aho. Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO; araka ny fahadiovan’ny tanako no namaliany ahy. Fa nitandrina ny lalan’NY TOMPO aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’Andriamanitro; ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako ary ny didiny dia tsy mba nialako; tsy nanan-tsiny Taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ny fahotako. Koa namaly ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO, araka ny fahadiovako teo imasony. Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olona marina no isehoanao fa marina; ny madio no isehoanao ho madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao ho miolikolika. Vonjenao ny olona ory; ary ny masonao dia manohitra ny mpiavonavona ka aetrinao ireny. Fa Ianao no jiroko, TOMPO ô; mampahazava ny fahamaizinako NY TOMPO. Ianao no ahazoako mihazakazaka hamely miaramila andiany iray; Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. Raha ny amin’Andriamanitra dia marina ny lalany; ny tenin’NY TOMPO dia voazaha toetra amin’ny memy; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy NY TOMPO? Iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; mitondra ahy amin’ny lalana tanteraka Izy. Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy; mampitoetra ahy eo amin’ny havoana Izy. Mampianatra ny tanako hiady Izy ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko. Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao ary mahalehibe ahy ny fahamoram-panahinao. Halalahinao ny lalana diaviko ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy ary tsy miverina aho mandra-pahalany ritra azy. Mandringana sy mandripaka azy aho ka tsy maharina izy; lavo eo ambanin’ny tongotro izy. Ianao no mampisikina hery ahy mba hiady; aripakao ho eo ambaniko izay mitsangana hamely ahy. Ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ampanginiko izay mankahala ahy. Miherikerika izy nefa tsy misy mpamonjy; eny, maniry NY TOMPO izy nefa tsy mamaly azy Izy. Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka izy; hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka aeliko. Manafaka ahy amin’ny fifanoheran’ny oloko Ianao sady mitahiry ahy ho lohan’ny firenen-tsamihafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. Ny hafa firenena dia mikoy ahy; raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy dia manoa ahy. Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ny manda fiarovany mafy. Velona NY TOMPO; isaorana anie ny Vatolampiko! Hasandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, dia Andriamanitra izay manao famaliana ho ahy ka mampietry firenena ho ambaniko, dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Ianao ary manafaka ahy amin’ny mpampihorohoro. Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamihafa, TOMPO ô, sy hihirako ho an’ny anaranao. Manao famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay. Izao no teny farany nataon’i Davida: Hoy i Davida, zanak’i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakoba sady mpanao hira mahafinaritra ho an’ny Israely: Ny Fanahin’NY TOMPO no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako; Andriamanitry ny Israely milaza, eny, ny Vatolampin’ny Israely miteny amiko hoe: Indro ny mpanapaka ny olona; marina izy sady manapaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra; izy dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; ny ahitra dia mandrobona amin’ny tany noho ny hainandro manarakaraka ny ranonorana. Moa tsy toy izany indrindra va ny taranako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina amin’ny zavatra rehetra sady voatandrina; moa tsy hampitsimohiny va ny famonjena ahy rehetra sy ny faniriako rehetra? Ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, fa tsy azo raisin’ny tanana izy; Ary ny olona izay mikasika azy dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; ary hodorana amin’ny afo avokoa amin’izay itoerany ireny. Izao no anaran’ireo lehilahy maherin’i Davida: i Joseba-Basebeta takemonita no lehiben’ny mpanafika malaza. Izy no ilay Edino eznita izay namely ny valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja. Ny manarakaraka azy dia i Eleazara, zanak’i Dodo, zanak’i Ahoha, iray amin’izy telo lahy mahery teo amin’i Davida, raha nihantsy ny Filistina izay niangona hiady ireo ka niakatra ny lehilahy tamin’ny Israely. Izy no nitsangana ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ny tanany ka efa niraikitra tamin’ny sabatra. Ary NY TOMPO nanao famonjena lehibe tamin’io andro io. Ny haka babo ihany no sisa niverenan’ny olona hanaraka an’i Eleazara. Manarakaraka azy dia i Sama, zanak’i Age hararita. Nony nivory ho andiany iray teo amin’ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina dia nandositra azy ny olona. Nijoro teo afovoan’io tany io kosa anefa i Sama ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Nanao famonjena lehibe NY TOMPO. Nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ny telopolo lahy nidina koa ka tonga tao amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ny Filistina dia nitoby teo amin’ny lohasahan’ny Refaìta. Tao amin’ny toeram-piereny i Davida tamin’izay ary ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema. Dia nilaza ny faniriany i Davida hoe: Iza re no mba hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady e! Dia namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina ireo telo lahy mahery fo ka nanovo rano tamin’ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO iny. Fa hoy i Davida: Sanatria, TOMPO ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery fo ireo. I Abisay, rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia, no lehibe tamin’izy telo lahy, namely ny telonjato lahy tamin’ny lefona izy ka nahafaty azy ireo, ary izy no nalaza tamin’izy telo lahy. Izy no be voninahitra noho izy telo lahy. Izy no lehibeny; nefa tsy nahomby noho izy telo lahy ireo izy. Ary i Benaia, zanak’i Joiada, zanaka lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny; ary izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry be. Nitondra lefona teny an-tanany ilay Ejiptiana, nefa nidina teny aminy tamin’ny tehina i Benaia ka nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana, ary iny lefony iny ihany no namonoany azy. Izany no nataon’i Benaia, zanak’i Joiada, ary tamin’izy telo lahy mahery dia izy no nalaza. Nalaza noho ny telopolo lahy izy, nefa tsy nahatratra ny vitan’izy telo lahy teo. Ary nanendry azy ho isan’ny mpanolotsaina azy i Davida. I Asahela, rahalahin’i Joaba kosa no iray amin’ny telopolo; i Elanana, zanak’i Dodo, avy any Betlehema, i Sama harodita, i Elika harodita, i Heleza paltita, Ira, zanak’Ikesy tekoita, i Abiezera anatotita, i Mebonay hosatita, i Zalmona ahohita, i Maharay netofatita, i Haleba, zanak’i Bana netofatita, Itahy, zanak’i Ribay, avy any Gibean’ny taranak’i Benjamina, i Benaia piratonita, i Hiday, avy any amin’ny lohasahan-driakan’i Gaasy, i Aby-Albona arbatita, i Azmaveta baromita, i Eliaba salbonita, i Bene-Jasena, i Jonatana, i Sama hararita, i Ahiama, zanak’i Sarara hararita, i Elifeleta, zanak’i Ahasbay, zanaky ny Makatita, i Eliama, zanak’i Ahitofela gilonita, i Hezray karmelita, i Paray arbita, i Jigala, zanak’i Natana, avy any Zoba, i Bany gadita, i Zeleka amonita, i Naharay berotita, mpitondra ny fiadian’i Joaba, zanak’i Zeroia, Ira jitirita, i Gareba jitirita, i Oria hetita. Fito amby telopolo no isan’izy rehetra. Nirehitra tamin’ny Israely indray ny fahatezeran’NY TOMPO; dia nanome saina an’i Davida Izy mba hanao izay hahatonga loza amin’ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Israely sy ny Joda. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba, komandin’ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny fokon’Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany. Fa hoy i Joaba tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa inona no antony itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany? Nefa tsy azon’i Joaba sy ny komandin’ny miaramila nolavina ny tenin’ny mpanjaka. Dia niala teo anatrehan’ny mpanjaka i Joaba sy ny komandin’ny miaramila mba handamina ny lehilahin’ny Israely. Ary nita an’i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ilay tanàna afovoan’ny lohasahan-driakan’i Gada ary nankany Jazera. Tonga tany Gileada, tany amin’ny tanin’i Tatima-Hodsy izy, ary tonga tany Dana-Jana ka nanodidina hatrany Sidona, ary tonga tao Tiro, tanàna mimanda, sy tany amin’ny tanànan’ny Hivita sy ny Kananita rehetra; dia nankany Negeva any Joda hatrany Bery-Sheba izy. Nony efa nitety ny tany rehetra izy dia tonga tany Jerosalema, rehefa afaka sivy volana sy roapolo andro. Dia natolotr’i Joaba ny mpanjaka ny isan’ny vahoaka voalamina ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery, mpanatsoaka sabatra tamin’ny Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ny Joda. Namely azy ny eritreritr’i Davida rehefa voaisany ny olona. Koa hoy i Davida tamin’NY TOMPO: Efa nanota be aho tamin’izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, TOMPO ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho. Nony nifoha maraina i Davida dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’NY TOMPO hoe: Mandehana ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy ary niteny hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ny taninao? Sa handositra mandritra ny telo volana eo anoloan’ny fahavalonao ianao, satria henjehiny? Sa areti-mandringana mandritra ny hateloana eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny hoentiko miverina any amin’Izay naniraka ahy. Dia hoy i Davida tamin’i Gada: Indrisy! Tery loatra aho! Aleontsika ho azon’ny tanan’NY TOMPO, satria lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona. Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely nony maraina ka hatramin’ilay fotoana voalaza; ary nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba. Ary nanatsotra ny tanany tamin’i Jerosalema Ilay Anjely handringana azy; fa nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza ka niteny tamin’Ilay Anjely izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’NY TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita. Nony hitan’i Davida Ilay Anjely namely ny olona dia niteny tamin’NY TOMPO izy hoe: Indro, izaho no nanota, ary izaho no nanao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka hamely ahy sy ny ankohonan’ny raiko ny tananao! Nankany amin’i Davida i Gada tamin’iny andro iny ka niteny taminy hoe: Miakara ka manangàna alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Araona jebosita. Dia niakatra i Davida, araka ny tenin’i Gada, araka izay nandidian’NY TOMPO. Nitazana i Araona ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy; dia nidina izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka. Ary hoy i Araona: Inona no antony ahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony? Dia hoy i Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony. Fa hoy i Araona tamin’i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanolotra izany ho fanatitra. Indreo ny omby ho fanatitra dorana manontolo ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ny zioga hatao kitay. Izany rehetra izany, ry mpanjaka dia omen’i Araona ny mpanjaka. Hoy ihany i Araona tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hankasitraka anao. Hoy ny mpanjaka tamin’i Araona: Tsia, fa tsy maintsy hovidiko aminao araka izay tokony ho vidiny ireo, satria tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO Andriamanitro amin’izay azoko maimaimpoana aho. Dia novidin’i Davida volafotsy sekela dimampolo ny famoloana sy ny omby. Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Dia neken’NY TOMPO ny fifonana natao ho an’ny tany ka nitsahatra tsy namely ny Israely intsony ilay areti-mandringana. Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Davida mpanjaka; nototofana lamba maromaro izy nefa tsy nety nafana. Dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny ny mpanjaka tompoko; aoka hanompo ny mpanjaka izy ka ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ny tratranao izy dia hampafana ny mpanjaka tompoko! Dia nitady zazavavy tsara tarehy manerana ny tanin’ny Israely rehetra izy ireo ka nahita an’i Abisaga sonemita izay noentiny tany amin’ny mpanjaka. Tena tsara tarehy Razazavavy. Tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy. Ny mpanjaka anefa dia tsy nanam-piraisana taminy. Ary nanandratra ny tenany i Adonia, zanakalahin’i Hagita, ka nilaza hoe: Izaho no hanjaka. Dia nanomana kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly ary dimampolo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy. Hatrizay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy akory ny rainy hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary izy no nateraky ny reniny nanarakaraka an’i Absaloma. Niresaka tamin’i Joaba, zanak’i Zeroia sy i Abiatara mpisorona izy; niandany tamin’i Adonia izy roa lahy ireo sady nanampy azy. Fa i Zadoka mpisorona, i Benaia, zanak’i Joiada, i Natana mpaminany, i Simey, i Rey ary ireo lehilahy mahery fo izay an’i Davida kosa dia tsy mba niandany tamin’i Adonia. Ary namono ondry aman’osy sy omby ary zanak’omby mifahy teo akaikin’ny vato Zoheleta teo anilan’i Eny-Rogela i Adonia ka nanasa ny rahalahiny, izay zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahin’ny Joda rehetra izay mpanompon’ny mpanjaka. Fa i Natana mpaminany, i Benaia, ny lehilahy mahery ary i Solomona rahalahiny kosa tsy mba nasainy. Hoy i Natana tamin’i Batseba, renin’i Solomona: Moa tsy renao va fa efa tonga mpanjaka i Adonia, zanak’i Hagita, nefa tsy fantatr’i Davida tompontsika akory izany? Koa etsy homeko saina ianao mba hamonjenao ny ainao sy ny ain’i Solomona zanakao. Mandehana mankao amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako? Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjaka? Ary raha mbola miteny amin’ny mpanjaka ianao dia hiditra manaraka anao koa aho ka hanamarina ny teninao. Dia nankao amin’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fatoriany i Batseba. Efa antitra tokoa moa ny mpanjaka, ary i Abisaga sonemita no nanompo azy. Dia niondrika i Batseba ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka. Hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao? Hoy izy taminy: Tompokolahy ô, tamin’NY TOMPO Andriamanitrao no nianiananao ka nanomezanao toky ahy mpanompovavinao hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako. Kanjo izao indro, i Adonia no tonga mpanjaka, kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko! Efa namono omby sy zanak’omby mifahy ary ondry aman’osy betsaka izy ary efa nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Joaba, lehiben’ny miaramila, fa i Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason’ny Israely rehetra no manandrandra anao mba hilazanao izay hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, ry mpanjaka tompoko ô! Fa rehefa lasa modimandry any amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy i Solomona zanako no homena heloka. Raha mbola niteny tamin’ny mpanjaka Ravehivavy, dia indro, niditra koa i Natana mpaminany. Nisy nanambara tamin’ny mpanjaka hoe: Indro i Natana mpaminany! Dia niditra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. Ary hoy i Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha efa niteny ianao hoe: I Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako? Fa nidina izy androany ka namono omby, zanak’omby mifahy, ondry aman’osy betsaka ary nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ireo lehiben’ny miaramila sy i Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana sy misotro eo anatrehany sady miteny hoe: Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka! Fa izaho mpanomponao, i Zadoka mpisorona, i Benaia, zanak’i Joiada ary i Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. Moa avy tamin’ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, ry mpanjaka tompoko? Ary hoy i Davida mpanjaka: Antsoy hankaty amiko i Batseba! Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany. Ary nianiana ny mpanjaka hoe: Raha velona koa NY TOMPO, izay namonjy ny aiko tamin’ny fahoriana rehetra, dia tahaka ilay nianianako tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ka nilazako hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio. Ary niondrika i Batseba dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka ka niteny hoe: Ho velona mandrakizay anie i Davida mpanjaka tompoko! Ary hoy i Davida mpanjaka: Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ary i Benaia, zanak’i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy telo lahy. Hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo: Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ny tomponareo ary ampitaingeno ny ampondravaviko i Solomona zanako lahy ka ento midina any Gihona izy. Ary aoka hanosotra azy any ho mpanjakan’ny Israely i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany. Tsofinareo avy eo ny anjomara ka lazao hoe: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka! Dia miakara manaraka azy ianareo ary aoka hiditra izy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpitondra ny Israely sy ny Joda. Ary namaly ny mpanjaka i Benaia, zanak’i Joiada hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie NY TOMPO, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko! Toy ny nomban’NY TOMPO ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny sezafiandrianan’i Davida mpanjaka tompoko anie ny sezafiandrianan’i Solomona! Dia nidina i Zadoka mpisorona, i Natana mpaminany, i Benaia, zanak’i Joiada, ary ny Keretita sy ny Peletita ka nampitaingenin’izy ireo ny ampondravavin’i Davida mpanjaka i Solomona ary noentiny nankany Gihona. Ary naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ny tranolay i Zadoka mpisorona ka nanosotra an’i Solomona. Notsofina avy eo ny anjomara sady hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka! Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra sady nitsoka sodina no nifaly indrindra ka nila hitresaka ny tany noho ny feony. Ren’i Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy izany rehefa nitsahatra nihinana izy ireo. Dia hoy i Joaba nony nahare ny feon’ny anjomara: Inona re izao hotakotaka mampitabataba ny tanàna izao? Fa raha mbola niteny izy dia indro tonga i Jonatana, zanak’i Abiatara mpisorona. Dia hoy i Adonia taminy: Mandrosoa, fa lehilahy azo antoka ianao ka vaovao tsara no hoentinao. Nefa hoy i Jonatana tamin’i Adonia: Tsia! Tsy izany velively fa i Davida mpanjaka tompontsika dia nanangana an’i Solomona ho mpanjaka. Ary ny mpanjaka no naniraka an’i Zadoka mpisorona, i Natana mpaminany, i Benaia, zanak’i Joiada ary ny Keretita sy ny Peletita hiaraka aminy ka nampitaingenin’ireo ny ampondravavin’ny mpanjaka izy. Dia nohosoran’i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ho mpanjaka tao Gihona izy. Niakatra avy teo izy ireo sady nifaly ka naresaka be terỳ ny tanàna. Izany no tabataba renareo. Ary i Solomona aza izao dia efa mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana. Dia tonga koa ny mpanompon’ny mpanjaka hisaotra an’i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon’Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran’i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny sezafiandriananao anie ny sezafiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka ka niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanolotra ny mpandimby ahy eo amin’ny sezafiandrianako androany, sady hitan’ny masoko koa izany. Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain’i Adonia ka niainga ary samy lasa nandeha tamin’izay nalehany avy izy rehetra. Natahotra an’i Solomona koa i Adonia dia niainga ka lasa nihazona mafy ny tandroky ny alitara. Ary nisy nanambara tamin’i Solomona hoe: Indro, i Adonia matahotra an’i Solomona mpanjaka; koa ao izy mihazona ny tandroky ny alitara sady miteny hoe: Aoka hianiana amiko aloha i Solomona mpanjaka fa tsy hamono ahy mpanompony amin’ny sabatra! Fa hoy i Solomona: Raha hita fa lehilahy azo antoka izy dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany; fa raha ahitana heloka kosa aminy dia ho faty ihany izy! Dia nandefa iraka hampidina azy hiala tamin’ny alitara i Solomona mpanjaka. Tonga niankohoka teo anatrehan’i Solomona mpanjaka izy ary hoy i Solomona taminy: Modia any an-tranonao. Rehefa antomotra ny andro ahafatesan’i Davida dia nanome didy an’i Solomona zanany lahy izy hoe: Izaho dia efa handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra. Koa mahereza ianao ary misehoa ho lehilahy! Tandremo izay asain’NY TOMPO Andriamanitrao hotandremana ka handehananao amin’ny lalany, hitandremanao ny lalànany, ny didiny, ny fitsipiny ary ny teny vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, mba hanatanterahan’NY TOMPO ny teny izay nolazainy momba ahy hoe: Raha mitandrina ny alehany ka mandeha eo anatrehako amin’ny fahamarinana amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo ny taranakao dia tsy ho diso zanakalahy eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao. Ary ianao koa dia mahalala izay nataon’i Joaba, zanak’i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy lehiben’ny miaramilan’ny Israely, dia tamin’i Abnera, zanak’i Nera, sy tamin’i Amasa, zanak’i Jetera, izay novonoiny sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady, nefa tsy nisy ady akory, ka nasiany ra toy ny amin’ny ady ny fehikibo nanaovany sy ny kapa teny an-tongony. Koa miasà araka ny fahendrenao ary aza avela hidina any amin’ny fitoeran’ny maty amin’ny fiadanana ny volofotsiny. Fa ny zanak’i Barizilay gileadita kosa dia asio soa, ary avelao izy mba ho isan’izay mihinana eo amin’ny latabatrao; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ireo tany amiko fony nandositra an’i Absaloma rahalahinao aho. Ary indro, ao aminao koa i Simey, zanak’i Gera, Benjaminita avy any Bahorima. Loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany izy, ary tamin’NY TOMPO no nianianako ka nanomezako toky azy hoe: Tsy hovonoiko amin’ny sabatra ianao. Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy. Amin’ny ra alatsaka no hampidinanao ny volofotsiny ho any amin’ny fitoeran’ny maty. Dia nodimandry any amin’ny razany i Davida ka nalevina ao an-Tanànan’i Davida. Efapolo taona ny fotoana nanjakan’i Davida teo amin’ny Israely; tao Hebrona no nanjakany fito taona ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telopolo taona. Nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’i Davida rainy i Solomona ary niorina tsara ny fanjakany. Ary nankany amin’i Batseba, renin’i Solomona i Adonia, zanakalahin’i Hagita. Hoy Ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy i Adonia: Eny, fihavanana! Hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Dia hoy Ravehivavy: Lazao ary! Dia hoy izy: Ianao dia mahalala fa voatendry ho ahy ny fanjakana, ary ny Israely rehetra dia efa niandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa azony avy tamin’NY TOMPO izany. Koa ankehitriny, zavatra iray loha no mba angatahiko aminao ka aza dia lavinao aho. Hoy Ravehivavy taminy: Lazao ary! Dia hoy izy: Miangavy anao aho, mitenena amin’i Solomona mpanjaka, fa tsy handa anao izy, mba homeny ho vadiko i Abisaga sonemita. Ary hoy i Batseba: Eny ary, hilaza ny momba anao amin’ny mpanjaka aho. Dia nankany amin’i Solomona mpanjaka i Batseba hilaza ny amin’i Adonia. Ary nitsangana hitsena an’i Batseba ny mpanjaka sady niankohoka teo anatrehany dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, ary nasainy nisy nitondra sezafiandrianana ihany koa ho an’ny renin’ny mpanjaka ka nipetraka teo ankavanany izy. Ary hoy ny reniny: Misy zavatra kely iray loha mba angatahiko aminao ka aza dia lavinao aho. Hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry Ineny, fa tsy handa anao aho! Dia hoy izy: Aoka i Abisaga sonemita homena ho vadin’i Adonia rahalahinao. Fa namaly ny reniny i Solomona mpanjaka hoe: Nahoana ianao no mangataka an’i Abisaga sonemita ho an’i Adonia? Angataho ho azy koa ary ny fanjakana fa izy no zokiko, dia ho azy sy i Abiatara mpisorona ary ho an’i Joaba, zanak’i Zeroia. Ary nianiana tamin’NY TOMPO i Solomona mpanjaka hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hovonoina i Adonia noho ny nanaovany izay teny izay! Koa ankehitriny, raha velona koa NY TOMPO, izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ny sezafiandrianan’i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hovonoina anio ihany i Adonia. Ary i Solomona mpanjaka dia naniraka an’i Benaia, zanak’i Joiada, hamono an’i Adonia ho faty. Nilazan’ny mpanjaka koa i Abiatara mpisorona hoe: Mandehana ianao mankany Anatota ho any amin’ny taninao, fa olona tokony ho faty ianao; nefa tsy hampamono anao amin’izao andro izao aho, satria nitondra ny vata misy ny Vavolombelon’NY TOMPO Andriamanitra teo alohan’i Davida raiko ianao, sady niara-nitondra fahoriana tamin’ny raiko tamin’izay rehetra nampahoriana azy. Ary naongan’i Solomona tsy ho mpisoron’NY TOMPO i Abiatara, mba hahatanteraka ny tenin’NY TOMPO, dia ilay nolazainy tao Silo ny amin’ny taranak’i Ely. Ary ren’i Joaba izany. I Joaba anefa dia niandany tamin’i Adonia na dia tsy niandany tamin’i Absaloma aza. Dia nandositra nankao amin’ny tranolain’NY TOMPO izy ka nihazona ny tandroky ny alitara. Ary nisy nanambara tamin’i Solomona mpanjaka fa lasa nandositra ho ao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Joaba, koa indro, eo anilan’ny alitara izy. Dia nirahin’i Solomona i Benaia, zanak’i Joiada, ka nilazany hoe: Mandehana, vonoy izy. Ary tonga tao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Benaia ka niteny tamin’i Joaba hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Mivoaha tao ianao! Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Dia nitondra teny tany amin’ny mpanjaka indray i Benaia hoe: Izany no lazain’i Joaba, ary izany no navaliny ahy. Hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy ka vonoy izy dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ny taranaky ny raiko ny ra izay nalatsak’i Joaba tsy amin’antony. Dia hatsingerin’NY TOMPO ho amin’ny lohany ihany ny rany, satria izy dia namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ny sabatra, dia i Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’ny Israely, sy i Amasa, zanak’i Jetera, komandin’ny miaramilan’ny Joda, nefa tsy nahafantatra izany akory i Davida raiko. Eny, hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy amin’ny lohan’ny taranany mandrakizay ny ran’izy roa lahy ireo. Fa amin’i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ny sezafiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’NY TOMPO. Dia niakatra i Benaia, zanak’i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin’ny fonenany tany an-tany efitra izy. Ary i Benaia, zanak’i Joiada, no notendren’ny mpanjaka ho solony ho komandin’ny miaramila; i Zadoka mpisorona kosa no notendren’ny mpanjaka ho solon’i Abiatara. Ary nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Manaova trano eto Jerosalema ianao ka mitoera ao ary aza miala ao akory ianao na ho aiza na ho aiza. Fa amin’izay andro andehananao mita ny lohasahan-driaka Kidrona dia aoka ho fantatrao marina fa hovonoina ho faty ianao; ny ranao dia ho amin’ny lohanao ihany. Ary hoy i Simey tamin’ny mpanjaka: Tsara izany teny izany! Araka izay nolazain’ny mpanjaka tompoko teo no hataon’ny mpanomponao. Dia nitoetra ela tany Jerosalema i Simey. Nony afaka telo taona mipaka dia nisy mpanompon’i Simey roa lahy nandositra ho any amin’i Akisy, zanak’i Maka mpanjakan’i Gata. Ary nisy nanambara tamin’i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao. Koa nanisy lasely ny borikiny i Simey ka nankany Gata ho any amin’i Akisy hitady ny mpanompony; dia niverina nitondra ny mpanompony avy tany Gata i Simey. Ary nisy nanambara tamin’i Solomona ny nialan’i Simey tao Jerosalema hankany Gata sy ny niverenany indray. Dia nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’NY TOMPO va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’izay andro ivoahanao sy andehananao na ho aiza io na ho aiza dia hovonoina ho faty ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko izany! Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’NY TOMPO sy ny didy izay nomeko anao? Hoy koa ny mpanjaka tamin’i Simey: Ianao dia mahafantatra ny ratsy rehetra nataonao tamin’i Davida raiko, eny, tsaroan’ny fonao izany; koa hatsingerin’NY TOMPO amin’ny lohanao ny haratsianao. Fa hotahina kosa i Solomona mpanjaka, ary ny sezafiandrianan’i Davida dia hampitoerina eo anatrehan’NY TOMPO mandrakizay. Dia nandidy an’i Benaia, zanak’i Joiada, ny mpanjaka, dia lasa izy namely an’i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia tafaorina teo an-tanan’i Solomona. Tonga vinanton’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Solomona. Nanambady ny zanakavavin’i Farao izy ary nitondra azy ho ao an-Tanànan’i Davida mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon’NY TOMPO ary ny manda manodidina an’i Jerosalema. Mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany anefa ny olona fa tsy mbola nisy trano vita ho an’ny anaran’NY TOMPO hatramin’izany andro izany. Ary tia NY TOMPO i Solomona ka nizotra araka ny dian’i Davida rainy; nefa mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany koa izy. Nankany Gibeona mba hamono zavatra hatao fanatitra any ny mpanjaka, fa izany no toerana fanaovana sorona lehibe indrindra. Fanatitra dorana manontolo miisa arivo no naterin’i Solomona teo amin’izany alitara izany. Tao Gibeona no nisehoan’NY TOMPO tamin’i Solomona tamin’ny nofy nony alina. Hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao. Dia hoy i Solomona: Ianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ny fony taminao; ary Ianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany tahaka ny amin’izao anio izao. Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, Ianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko; nefa izaho moa mbola zaza ihany ka tsy fantatro akory izay tokony hataoko. Ary izaho mpanomponao koa dia eo afovoan’ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany. Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hoentiko mitsara ny olonao, mba hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy! Fa iza moa no mahay mitsara izao olona betsaka izao? Sitraky NY TOMPO ny nangatahan’i Solomona izany zavatra izany ka hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao fa tsy ny ho ela velona, na ny hanankarena, na ny ain’ny fahavalonao, fa satria fahaizana hitsara no nangatahinao, dia indro, efa nanatanteraka ny teninao Aho, dia efa nanome anao saina hendry sady mahiratra izao, koa tsy nisy tahaka anao ny talohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ao aoriananao. Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin’ny andronao rehetra. Ary raha mandeha amin’ny lalako ianao ka hitandrina ny lalànako sy ny didiko, tahaka ny nandehanan’i Davida rainao, dia hataoko ela velona ianao. Dia nahatsiaro i Solomona ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy dia nitsangana teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra izy. Tamin’izay dia nisy vehivavy janga roa nankao amin’ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany. Hoy ilay vehivavy iray: Trara antitra ianao, tompokolahy! Izaho sy ity vehivavy ity dia miray trano; niteraka tao an-trano aho sady tao koa izy. Nony efa niteraka hateloana aho dia mba niteraka koa Ravehivavy ity. Izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano fa izahay roa vavy ihany. Ary maty tamin’ny alina ny zanak’ity Ravehivavy ity, fa voatsindriny. Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin’ilay natory iny aho mpanompovavinao, dia nampandriany teo an-tratrany, fa ny azy maty no napetrany teo an-tratrako. Nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, dia indro fa maty. Kanjo rehefa nofantariko izy nony maraina dia hitako fa tsy ny zanako naterako! Hoy kosa anefa ilay iray: Tsia! Ny velona no zanako fa ny maty no zanakao. Nefa hoy indray ny iray: Tsia! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako. Izany no tenin’izy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka. Hoy ny mpanjaka: Ny iray dia miteny hoe: Ity velona ity no zanako fa ny maty no zanakao! Ary hoy kosa ny iray: Tsia! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako! Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Dia noentina ho eo anatrehan’ny mpanjaka ny sabatra. Ary hoy ny mpanjaka: Zarao roa ny zaza velona ka omeo ny iray ny antsasany ary ho an’ny iray kosa ny antsasany. Nefa niteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy, renin’ny zaza velona, satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ny zanany ka hoy izy hoe: Tompokolahy ô, trara antitra ianao! Omeo azy ihany ary ny zaza velona fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao fa zarao e! Dia hoy ny mpanjaka: Omeo an’itsy ny zaza velona fa aza vonoina. Io mihitsy no reniny. Rehefa ren’ny Israely rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa ao am-pony ny fahendren’Andriamanitra hoentiny mitsara. Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Solomona mpanjaka. Ireto no mpitondra tao aminy: I Azaria, zanak’i Zadoka, no mpisorona; i Elihorefa sy i Ahia, zanak’i Sisà, no mpitantsoratra; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; i Benaia, zanak’i Joiada, no komandin’ny miaramila; i Zadoka sy i Abiatara no mpisorona; i Azaria, zanak’i Natana, no lehiben’ny olona voatendry; i Zaboda, zanak’i Natana, namana akaikin’ny mpanjaka; i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; i Adonirama, zanak’i Abda, no lehiben’ny mpanao fanompoana. Ary nanendry mpifehy roa amby folo lahy ho amin’ny Israely rehetra i Solomona hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ny taona iray izy ireo. Ireto avy ny anarany: I Beny-Hora no tany amin’ny tany be havoana any Efraima; i Beny-Dekera no tao Makaza sy tao Salbima sy Bety-Semesy ary Elona-Bety-Hanana; i Beny-Heseda no tao Arobota; i Soko sy ny tany Hefera manontolo no azy; i Beny-Abinadaba no tao amin’ny havoanan’i Dora rehetra. I Tafata, zanakavavin’i Solomona, no vadiny; i Bana, zanak’i Ahiloda; azy kosa i Tanàka sy Megido ary Bety-Sana rehetra, izay anilan’i Zaretana, ambanin’i Jezirela, hatrany Bety-Sana ka hatrany Abela-Mehola, dia hatrany ankoatra an’i Jokneama; i Beny-Gebera no tao Ramota-Gileada; ireo tanànan’ny mpitoetra an-tranolay izay an’i Jaira, zanak’i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tanin’i Argoba, izay any Basana, dia tanàna enimpolo lehibe nisy manda sy hidy varahina; i Ahinadaba, zanak’i Ido, no tany Mahanaima; i Ahimaza no tany Naftaly. Izy kosa dia nanambady an’i Basemata, zanakavavin’i Solomona; i Bana, zanak’i Hosay, no tany Asera sy Alota; i Josafata, zanak’i Paroa, no tany Isakara; i Simey, zanak’i Ela, no tany Benjamina; i Gebera, zanak’i Orỳ, no tany amin’ny tany Gileada, tanin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, sy i Oga, mpanjakan’i Basana; ary izy ihany no mpifehy voatendry ho amin’izany tany izany. Ny Joda sy ny Israely moa dia tena maro ka tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony. Nihinana sy nisotro ny olona sady nifaly. Nanjaka tamin’ny fanjakana rehetra hatrany amin’ny ony Eofrata sy ny tanin’ny Filistina ka hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta i Solomona; nandoa hetra ireo sady nanompo an’i Solomona tamin’ny andro rehetra niainany. Ny fihinan’i Solomona isanandro dia koba tsara toto telopolo kora, sy koba hafa enimpolo kora, omby mifahy folo sy omby an-tondraka roapolo ary ondry aman’osy zato, ankoatra ny diera, ny gazela ary ny osidia mbamin’ny vorona mifahy. Fa nanapaka tamin’ny tany rehetra atỳ andafin’ny ony Eofrata, hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ny mpanjaka rehetra etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary tsara fihavanana tamin’ireo rehetra manodidina izy ka notoavin’ireny. Nandry fehizay ny Joda sy ny Israely tamin’ny andron’i Solomona rehetra. Samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba. Nanana efitrano efatra alina, fitoeran’ny soavaly mpitarika kalesy fitondra miady, ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina i Solomona. Ireo mpifehy voatendry dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’i Solomona mpanjaka sy izay rehetra noentina teo amin’ny latabatr’i Solomona mpanjaka; izy rehetra koa dia samy niadidy ny amin’ny iray volana anjarany avy ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona. Noentiny ho ao amin’ny toerana izay tokony hitondrana azy koa ny varimbazaha sy ny mololo ho an’ny soavaly tsotra sy ny soavaly haingam-pandeha, samy araka ny anjara asany avy. Ary Andriamanitra nanome an’i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be tokoa ary fahalalana maro tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Izany fahendren’i Solomona izany dia nihoatra noho ny fahendren’ny zanaky ny Atsinanana rehetra sy ny fahendren’i Ejipta manontolo. Fa hendry noho ny olona rehetra izy. Eny, hendry mihoatra noho i Etana ezrahita, i Hemana, i Kalkola ary i Darda, zanak’i Mahola, aza izy; niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany. Nilaza ohabolana telo arivo izy sady nanao tononkira dimy sy arivo. Nilaza ny amin’ny hazo izy, hatramin’ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ny hisopa izay maniry eny amin’ny rindrina; mbola nilaza ny amin’ny biby, ny voromanidina, ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa izy. Dia nisy tonga avy tany amin’ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’i Solomona, dia avy amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra izay nahare ny amin’ny fahendreny. Naniraka ny mpanompony ho any amin’i Solomona i Hirama, mpanjakan’i Tiro, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby ny rainy. I Hirama dia sakaizan’i Davida hatry ny ela. Dia nandefa iraka tany amin’i Hirama i Solomona hilaza hoe: Fantatrao fa i Davida raiko dia tsy nahavita trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny noho ny ady natrehany tamin’ny manodidina azy, ambara-panaon’NY TOMPO an’ireo ho eo ambanin’ny faladiany. Fa ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitro dia efa nanome ahy fitsaharana amin’ny manodidina ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony. Koa indro, izaho dia mikasa hanao trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro, araka ilay nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ny anarako. Koa mba asaivo misy manapaka hazo sedera ho ahy any Libanona. Ny vahoakako no hiaraka amin’ny vahoakanao, koa ny karaman’ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona mahay manapaka hazo tahaka ny Sidoniana atỳ aminay. Rehefa ren’i Hirama ny tenin’i Solomona dia faly tokoa izy ka niteny hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie NY TOMPO, izay nanome zanakalahy hendry ho an’i Davida mba hitondra izao olona marobe izao. Dia nandefa iraka tany amin’i Solomona i Hirama hilaza hoe: Efa reko ny hafatra nampitondrainao tatỳ amiko. Koa hanao izay rehetra irinao aho ny amin’ny hazo sedera sy ny hazo kipreso. Ny vahoakako no hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin’ny ranomasina, ary hofeheziko ireo ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ny rano ho any amin’izay toerana hotononinao, ary any izy vao hoborahiko ka ianao no hampaka azy. Ary ianao dia hanatanteraka izay iriko amin’ny fanomezana sakafo ho an’ny ankohonako. Dia nanome hazo sedera sy kipreso ho an’i Solomona araka izay rehetra nilainy i Hirama. I Solomona kosa nanome an’i Hirama varimbazaha roa alina kora ho sakafon’ny ankohonany, ary diloilo roapolo kora avy amin’ny oliva voatoto; ireo no nomen’i Solomona an’i Hirama isan-taona isan-taona. Ary NY TOMPO nanome fahendrena an’i Solomona, araka izay nolazainy taminy. Nihavana i Hirama sy i Solomona ka nanao fanekena izy roa lahy. Naka olona tamin’ny Israely rehetra i Solomona mpanjaka mba hanao fanompoana ka olona telo alina no nalainy. Nirahiny nankany Libanona ireny ka iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana ireo no tany Libanona fa roa volana kosa mba tany an-tranony. I Adonirama no nifehy azy rehetra. Nanana mpitondra entana fito alina sy mpipaika vato valo alina tany an-tendrombohitra i Solomona, afa-tsy ny lehiben’ireo mpifehy voatendrin’i Solomona izay nitandrina ny raharaha: Telonjato sy telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa. Ary ny mpanjaka dia namoaka didy hanamboarana vato sady vaventy tsara no voapaika, hatao fototry ny Trano. Ny mpiasan’i Solomona sy Hirama, sy ny avy any Gebala no nipaika ny vato sy nanamboatra ny hazo hananganana ny Trano. Tamin’ny taona fahavalopolo sy efajato taorianan’ny nialan’ny Zanak’Israely tamin’ny tany Ejipta, tamin’ny volana Ziva, na ny volana faharoa izany, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona tamin’ny Israely, dia nanorina ny tranon’NY TOMPO izy. Ny trano naorin’i Solomona mpanjaka ho an’NY TOMPO dia enimpolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony. Ny lalantsara fidirana teo anoloan’ny efitrano lehibe dia roapolo hakiho ny lavany mifanerana amin’ny sakan’ny Trano, ary folo hakiho ny habeny teo anoloan’ny Trano ihany. Nataony makarakara tsy mivoha ny varavarankelin’ny Trano. Dia nasiany efitrano fanampiny izay miankina amin’ny rindrin’ny Trano sady manodidina azy, na amin’ny efitrano lehibe, na amin’ny fitoerana masina indrindra, ary nasiany paosin-trano manodidina azy. Ny paosin-trano ambany indrindra dia dimy hakiho ny sakany, ny eo antenantenany dia enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony dia fito hakiho ny sakany; fa ny rindrina ivelan’ny Trano kosa dia nahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin’ny rindrin’ny Trano. Tamin’ny nanaovana ny Trano dia vato efa voapaika hatrany an-tsaha fipeham-bato no nanaovany azy ka tsy nisy feon’ny tantanana na fandraka na fiasana vy re tao amin’ny Trano tamin’ny nanaovany azy. Ny varavarana mankao amin’ny efitrano antenantenany dia teo amin’ny ilany havanana amin’ny Trano ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ny efitrano antenantenany; avy tao amin’ny efitrano antenantenany indray no niakarany ho ao amin’ny fahatelo. Natsangany ny Trano ka vitany. Ny nataony tafon’ny Trano dia rairainy nopetahana hazo fisaka sedera. Nanangana paosin-trano manodidina ny Trano izy; dimy hakiho avy ny haavony ary hazo sedera no nikambanany tamin’ny Trano. Ary tonga tamin’i Solomona ny tenin’NY TOMPO hoe: Ny amin’ity trano ataonao ity, raha mandeha araka ny lalànako sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ianao ka manaraka azy dia hotanterahiko aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao; ary hitoetra eo anivon’ny Zanak’Israely Aho ka tsy hahafoy ny Israely oloko. Natsangan’i Solomona ny Trano ka vitany. Nopetahany hazo sedera ny rindrina anatiny amin’ny Trano; hatreo amin’ny vodirindrina ka hatrany amin’ny loharindrina dia nopetahany hazo avokoa; hazo kipreso kosa no nataony gorodon’ny Trano. Ny roapolo hakiho hatreo amin’ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera, hatreo amin’ny vodirindrina ka hatrany amin’ny loharindrina ary nataony efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra. Efapolo hakiho ny lavan’ny Trano na ny tempoly, teo anoloan’io. Nosoratany sary voantango sy voninkazo mivelatra ny sedera ao anatin’ny Trano; sedera avokoa ny hazo rehetra fa tsy nisy vato niseho. Nanangana ny fitoerana masina indrindra tao anatin’ny Trano izy mba hametrahany ny vata misy ny faneken’NY TOMPO. Teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, izay roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho koa ny haavony, sady voapetaka takelaka volamena tsy miharo, dia nisy alitara izay nopetahany hazo sedera. Nopetahan’i Solomona takelaka volamena voafantina koa ny atin’ny Trano no nasiany rojo volamena misakana eo anoloan’ny fitoerana masina indrindra izay nopetahany takelaka volamena. Nopetahany takelaka volamena avokoa ny anatin’ny Trano manontolo; ary ny alitara manoloana ny fitoerana masina indrindra koa dia nopetahany takelaka volamena manontolo. Tao anatin’ny fitoerana masina indrindra dia nasiany kerobima roa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy. Samy folo hakiho avy ny haavony. Samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima tsirairay, folo hakiho hatreo amin’ny tendron’elany iray ka hatramin’ny tendron’elany iray hafa. Ny kerobima iray koa dia folo hakiho. Ny kerobima roa dia mitovy habe sy mitovy endrika. Folo hakiho ny haavon’ny kerobima iray, ary tahaka izany ihany koa ny kerobima iray hafa. Ny kerobima dia nataony tao afovoan’ny Trano anatiny. Namelatra ny elany ireo, koa ny elatry ny kerobima voalohany sy faharoa dia samy nipaka amin’ny rindrina tandrify azy avy, ary ny elatr’izy ireo dia nifanendry teo afovoan’ny Trano. Nopetahany takelaka volamena koa ny kerobima. Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mamelana ny rindrina manodidina ao amin’ny Trano na tao anatiny na tany ivelany. Nopetahany takelaka volamena ny gorodon’ny Trano na tao anatiny na tany ivelany. Nasiany lelam-baravarana kopa-droa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy ny varavarana mankao amin’ny efitra masina indrindra, koa ny tolanany sy ny momba azy dia ampahadimin’ny sakan’ny Trano. Ny lelam-baravarana kopa-droa dia vita amin’ny oliva maniry ho azy. Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mamelana izany dia nopetahany volamena manify ny kerobima sy ny hazo palma. Toy izany koa ny varavarana mankao amin’ny tempoly; nasiany tolanam-baravarana vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy, mahafeno ny ampahefatry ny sakan’ny Trano. Ary ny lelam-baravarana kopa-droa, vita amin’ny hazo kipreso dia kamban-droa samy nisy savily avy. Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mivelatra ireo dia nopetahany volamena manify ny sorany. Nanao ny kianja tao anatiny tamin’ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy. Tamin’ny volana Ziva tamin’ny taona fahefatra no nanaovany ny fanorenana ny tranon’NY TOMPO. Ary tamin’ny volana Bola, izay volana fahavalo, tamin’ny taona fahiraika amby folo, no nahavitany ny Trano araka ny fombany rehetra sy ny antsipiriany rehetra. Fito taona no nanaovany azy. Telo amby folo taona no nanaovan’i Solomona ny lapany dia vitany manontolo izany. Nanangana ilay trano Alan’i Libanona izy aloha; zato hakiho ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony ambonin’ny andry sedera efatra andalana. Nisy rairainy sedera teo ambonin’ny andry. Notafoany hazo sedera ireo efitrano teo ambonin’ny andry izay miisa dimy amby folo isan’andalana ka dimy amby efapolo izy rehetra. Telo andalana ny rairainy, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo. Ny varavarana rehetra sy ny tolàna dia natao efa-joro, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo. Nataony koa ny lalantsara maro andry; dimampolo hakiho ny lavany ary telopolo hakiho ny sakany; nisy koa ny lalantsara fidirana teo anoloany ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan’io. Nataony koa ny lalantsara hitoeran’ny sezafiandrianana izay hitsarany, dia ny lalantsara fitsarana; nataony hazo sedera avokoa hatreo amin’ny gorodona ka hatrany amin’ny rihana. Ny tranony izay nitoerany dia teo amin’ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lalantsara fidirana ary nitovy rafitra tamin’io koa. Ary nanao trano tahaka izany lalantsara fidirana manodidina ny kianja lehibe izany koa i Solomona ho an’ny zanakavavin’i Farao izay nampakariny ho vady. Ireo rehetra ireo dia vato voafantina avokoa, voapaika araka ny marika sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatreo amin’ny fanambaniny ka hatrany an-tampony, ary teo ivelany koa, hatrany amin’ny kianja lehibe. Vato voafantina sady lehibe ny fototra, dia vato folo hakiho sy valo hakiho. Teo ambony dia nisy vato voafantina voapaika araka ny marika, sy hazo sedera. Nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana manodidina ny kianja lehibe, tahaka ny amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO, ary amin’ny lalantsara fidirana amin’ny Trano. Ary i Solomona mpanjaka dia nandefa iraka haka an’i Hirama avy tany Tiro. Zanaky ny vehivavy mpitondratena tamin’ny fokon’i Naftaly izy io, fa ny rainy dia lehilahy tiriana, mpiasa varahina. Feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana ny asa varahina rehetra izy. Dia tonga tao amin’i Solomona mpanjaka i Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy. Nanao ny andry varahina roa izy; valo amby folo hakiho avy ny haavon’ny iray ary roa amby folo hakiho ny manodidina azy. Toy izany koa ny faharoa. Nanamboatra lohany varahina voarendrika roa izy hatao eo amin’ny tampon’ny andry, dimy hakiho avy ny haavony. Nisy harato sy rojo miolana amin’ny lohany teo amin’ny tampon’ny andry avy: Fito amin’ny lohany iray ary fito koa amin’ny lohany iray hafa. Nanao ny andry izy ary nasiany roa andalana manodidina ny asa harato iray, izay hafono ny lohany izay teo an-tampon’ny andry; toy izany koa no nataony tamin’ny lohany iray. Ny lohany izay teo an-tampon’ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lisy tahaka ny amin’ny lalantsara fidirana, ary efatra hakiho ny haavony. Ny lohany teo an-tampon’ny andry roa dia nohodidinin’ny sarin’ampongabendanitra roanjato nilahatra teo ambony, teo akaikin’ny kibony sy tany ambadiky ny harato; toy izany koa tamin’ny lohany iray. Ny andry dia natsangany teo amin’ny lalantsara fidirana amin’ny tempoly ka nisy ny andry teo ankavanana, nomeny anarana hoe Jakina; ary nisy koa ny andry teo ankavia, izay nataony hoe Boaza. Ny tampon’ny andry dia nitarehim-boninkazo lisy. Toy izany no nahavitany ny asa momba ny andry. Nanamboatra ny koveta lehibe boribory voarendrika koa izy ka folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony ary telopolo hakiho ny manodidina azy. Nisy sarim-boatango manodidina azy, folo teny amin’ny hakiho iray manodidina ny koveta lehibe, teo ambanin’ny molotry ny koveta lehibe; ny sarim-boatango dia roa andalana ary niara-narendriny tamin’ny koveta lehibe izany. Io koveta lehibe io dia nipetraka teo ambonin’ny sarin’omby roa amby folo; ny telo dia nanatrika ny avaratra, ny telo dia nanatrika ny andrefana, ny telo dia nanatrika ny atsimo ary ny telo dia nanatrika ny atsinanana; teo ambonin’ireo ny koveta lehibe ary nifampiamboho izy rehetra. Ny hateviny dia felatanana iray ary tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, tahaka ny vonin’ny lisy; nahalany roa arivo bata izany. Nanao ny fitoeran’ireo koveta varahina folo indray izy; efatra hakiho ny lavan’ny iray, efatra hakiho koa ny sakany ary telo hakiho ny haavony. Toy izao ny nanaovana ireo fitoeran’ny koveta ireo: Nisy atiny, ary ireo atiny ireo dia nisy sisiny nihazona azy; tamin’ny atiny izay nohodidinin’ny sisiny dia nisy sarin’ny liona sy omby ary kerobima; teo ambonin’ny sisiny koa dia nisy faladiany; ary teo ambanin’ny sary liona sy omby dia nisy rojo mihantona. Ireo fitoeran’ny koveta ireo dia samy nisy kodiarana varahina efatra sy tanan-kodiarana varahina, ary tamin’ny zorony efatra dia nisy fanamafisana; teo ambanin’ny koveta no nisy ny fanamafisana voarendrika ary nanandrify ny rojo izany. Ny vavan’ny koveta dia teo anatin’ny sisiny izay nihoatra hakiho iray teo ambonin’io; hakiho iray sy tapany kosa sady boribory ny vavany; tamin’ny vavany koa dia nisy soratra, ary efa-joro ny sisiny fa tsy boribory. Ny kodiarana efatra dia teo ambanin’ireo atiny ary ny fihazonana ny tanan-kodiarana dia nikambana tamin’ny fitoeran’ny koveta ihany; hakiho iray sy tapany ny haavon’ny kodiarana. Tahaka ny amin’ny kodiaran-kalesy ny fomban’ny kodiarana: Ny tanany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tana-masoandrony ary ny foitrany dia nataony tamin’ny varahina avokoa. Nisy fanamafisana efatra teo amin’ny zorony efatra amin’ny fitoeran’ny koveta iray ary mitranga avy eo amin’ny fitoeran’ny koveta ireo. Teo amin’ny tapany ambony amin’ny fitoeran’ny koveta dia nisy boribory manodidina, antsasaky ny hakiho ny haavony; teo amin’ny tapany ambony amin’ny fitoeran’ny koveta koa dia nisy fihazonana, ary ny atiny dia narendrika hiray aminy. Fa ny atin’ny fanamafisana sy ny atiny hafa izay mbola nisy toerana malalaka dia nosoratany sarin’ny kerobima sy liona ary hazo palma sady nasiany rojo manodidina. Tahaka izany no nanaovany ny fitoerana folo ho an’ny koveta, samy natao indray mandrendrika avokoa ary nitovy refy sy nitovy endrika izy rehetra. Nanao koveta varahina folo koa izy; ny koveta dia nahalany efapolo bata avy; samy efatra hakiho avy ny koveta; ary koveta iray avy no tamin’ny fitoerany folo. Dia nametraka ny fitoeran’ireo koveta izy, dimy teo ankavanan’ny Trano, ary dimy teo ankavian’ny Trano; ilay koveta lehibe koa dia nataony teo ankavanan’ny Trano, teo atsimo atsinanana. Ary nanao ireo koveta sy ireo sotron’afo ary ireo lovia famafazana i Hirama. Vitan’i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Ireto izany: Ny andry roa sy ny bolany roa amin’ny lohany teo an-tampon’ny andry roa, ny harato roa izay hafono ny bolany roa amin’ny lohany teo an-tampon’ny andry avy ary ny sarin’ampongabendanitra efajato ho amin’ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin’ny harato iray hafono ny bolany roa amin’ny lohany teny an-tampon’ny andry avy; ny fitoeran’ny koveta folo sy ny koveta folo ho eo ambonin’ny fitoerany, ny koveta lehibe iray sy ny sary omby roa amby folo teo ambaniny, ireo vilany sy sotron’afo ary ireo lovia famafazana. Ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon’i Hirama ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO, dia varahina mamirapiratra avokoa. Tany amin’ny tany amoron’i Jordana no nandrendrehan’ny mpanjaka azy tamin’ny tanimanga teo anelanelan’i Sokota sy Zaretana. Dia napetrak’i Solomona amin’ny toerany ny fanaka rehetra; be dia be izany ka tsy nozahana intsony ny lanjan’ny varahina. Nanao ny fanaka rehetra izay ao amin’ny tranon’NY TOMPO i Solomona: Ny alitara volamena sy ny latabatra volamena izay fitoeran’ny mofo atao fanatitra; ny fitoeran-jiro, dimy amin’ny ankavanana ary dimy amin’ny ankavia, teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, dia samy volamena voafantina; ireo voninkazo sy ireo jiro ary ireo hetin-jiro dia samy volamena avokoa; ary ireo lovia, antsy, vilia famafazana, lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena voafantina; ny savily ho amin’ny lelam-baravaran’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin’ny lelam-baravaran’ny tempoly, dia samy volamena avokoa. Toy izany no nahavitana ny asa nataon’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia nampidirin’i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, ka nataony tao amin’ny efitrano fitahirizana. Taorianan’izany i Solomona mpanjaka dia namory tany aminy any Jerosalema ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Zanak’Israely, mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy ao Ziona, Tanànan’i Davida. Dia nivory tao amin’i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ny Israely tamin’ny andro firavoravoana tamin’ny volana Etanima na ny volana fahafito. Ary tonga ny loholon’ny Israely rehetra ka ny mpisorona no nitondra ny vata misy ny Fanekena. Dia nampiakariny ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny tranolay fihaonana mbamin’ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny mpisorona sy ny levita ireo zavatra ireo. Ary i Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ny vata misy ny Fanekena, dia namono zavatra hatao fanatitra: Ondry aman’osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany. Ary ny mpisorona dia nampiditra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ho ao amin’ny fitoerany ao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima. Fa nivelatra teo ambonin’ny toeran’ny vata misy ny Fanekena ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny vata misy ny Fanekena sy ny baony. Lava ny bao ka hita ny tendrony raha avy eo amin’ny fitoerana masina eo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, nefa tsy hita avy eny ivelany. Mbola ao mandraka androany ireo. Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa izay nataon’i Mosesy tao anatiny, tany Horeba, tamin’ny nanaovan’NY TOMPO fanekena tamin’ny Zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy. Nony nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’NY TOMPO ny rahona. Tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitry NY TOMPO nameno ny tranon’NY TOMPO. Dia hoy i Solomona: NY TOMPO efa nilaza fa hitoetra ao amin’ny haizim-pito Izy! Efa nanao trano honenanao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay! Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra. Nijoro avokoa ny fiangonan’ny Israely. Hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany no nanatanteraka izany taminy, dia ilay teny hoe: Hatramin’ny andro nitondrako ny Israely oloko nivoaka avy tany Ejipta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ireo firenen’ny Israely hanorenako trano hitoeran’ny anarako; nefa nifidy an’i Davida Aho hitondra ny Israely oloko. Ary efa tonga tao am-pon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany. Kanefa kosa tsy ianao no hanorina ny Trano fa ny zanakao izay haterakao; izy no hanorina ny Trano ho an’ny anarako. Ary NY TOMPO efa nanatanteraka ny teniny izay nolazainy. Koa nitsangana handimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely araka izay nolazain’NY TOMPO, sady izaho koa dia efa nanorina ny trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Nasiako toerana ho an’ny vata izay itoeran’ny faneken’NY TOMPO ao, dia ilay nataony tamin’ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta. Ary nijoro teo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, i Solomona sady namelatra ny tanany nanandrify ny lanitra no niteny hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy andriamanitra tahaka Anao na any amin’ny lanitra ambony na etỳ amin’ny tany ambany, izay mitandrina ny fanekena sy ny famindrampo ho an’ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony manontolo, sady efa nanatanteraka tamin’i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain’ny vavanao izany dia notanterahin’ny tananao tahaka ny amin’izao anio izao. Ankehitriny, ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho amin’i Davida mpanomponao ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako, izay hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako. Koa ankehitriny, ry Andriamanitry ny Israely ô, mifona aminao aho, aoka ho to anie ny teninao izay nolazainao tamin’i Davida raiko mpanomponao. Andriamanitra va honina etỳ an-tany tokoa? E, ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity! Koa atreho ny vavaka sy ny fifonan’ny mpanomponao, ry TOMPO Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao eto anatrehanao anio. Aoka hihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity ny masonao, dia amin’ny toerana nolazainao hoe: Ao no hisy ny anarako, mba hihainoanao ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao izay manatrika ity toerana ity. Koa henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka. Raha misy olona manota amin’ny namany ka asaina mianiana, ary tonga hianiana eo anoloan’ny alitaranao amin’ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mihetseha ary tsarao ny mpanomponao, mba hanamelohana ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ny lohany ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany. Raha resy eo anoloan’ny fahavalo ny Israely olonao noho ny nanotany taminao ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona Aminao eto amin’ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny Israely olonao, ary ampodio amin’ny tany nomenao ny razany izy. Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ny olona Taminao, nefa mivavaka manatrika ity toerana ity izy ary manaiky ny anaranao sady miala amin’ny fahotany, satria ampahorinao, dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny Israely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany ary mandatsaha ranonorana amin’ny taninao izay nomenao ho lovan’ny olonao. Raha misy mosary amin’ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ny hafanana ny vary, na maty fotsy, na koa misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ny taniny, dia ao amin’ny tanànany, ka na inona fahoriana, na inona aretina, izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ny olona rehetra, na ny Israely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ny fony avy ka mamelatra ny tanany manatrika ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka mamelà heloka, ary mihetseha ka omeo araka ny alehany rehetra ny olona; fa fantatrao ny fony, fa Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra, mba hatahorany Anao amin’izay andro rehetra iainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay. Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao izy, satria ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao natsotra; koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Israely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no antsoina eto amin’ity trano naoriko ity. Raha miainga hiady amin’ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’NY TOMPO manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao izy, dia henoy any an-danitra ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy. Raha manota aminao izy, satria tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy eo anoloan’ny fahavalony ka hoentin’ny mpamabo ho babo any amin’ny tanin’ny fahavalo izy, na ho lavitra izany na ho akaiky, raha mahatsiaro any amin’ny tanin’ireo mamabo azy ireo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ny tany izay nitondrany azy ho babo any ary miteny hoe: Efa nanota izahay sady nanao izay meloka sy nanao izay ratsy, raha miverina aminao amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ao amin’ny tanin’ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka Aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao, dia henoy any an-danitra fonenanao ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy. Eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota Taminao, ary mamelà ny fahadisoany rehetra izay nataony Taminao; ataovy mahazo famindrampo amin’izay mamabo azy izy ka hamindra fo aminy ireo. Fa olonao sy lovanao izy ary noentinao nivoaka avy tany Ejipta, dia avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, Aoka hihiratra ny masonao amin’ny fifonan’ny mpanomponao sy ny fifonan’ny Israely olonao ka hihainoanao azy amin’izay rehetra iantsoany Anao. Fa Ianao no nanavaka azy tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mba ho lovanao, araka izay nampilazainao an’i Mosesy mpanomponao tamin’ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry TOMPO Andriamanitra ô! Rehefa vita izany vavaka sy fifonana rehetra nataon’i Solomona tamin’NY TOMPO izany dia nitsangana izy ka niala teo amin’ny alitaran’NY TOMPO izay nandohalehany sy namelarany ny tanany ho amin’ny lanitra. Dia nijoro nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, tamin’ny feo mahery izy hoe: Isaorana anie NY TOMPO, izay nanome fitsaharana ho an’ny Israely olony araka izay rehetra nolazainy! Tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy an’i Mosesy mpanompony. Ho amintsika anie NY TOMPO Andriamanitsika, tahaka ny tamin’ny razantsika. Enga anie ka tsy handao na hahafoy antsika Izy fa mba hampanatoniny Azy ny fontsika hahazoantsika mandeha amin’ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalànany sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika! Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan’NY TOMPO izany ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika andro aman’alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Israely olony araka izay tandrify azy isanandro, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa NY TOMPO no Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. Ho marina amin’NY TOMPO Andriamanitsika anie ny fonareo, mba handehananareo amin’ny didiny sy hitandremanareo ny lalànany, tahaka ny amin’izao anio izao. Niaraka tamin’ny Israely rehetra namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO ny mpanjaka. Namono zavatra hatao fanati-pihavanana izay natolony ho an’NY TOMPO i Solomona, dia omby roa arivo sy roa alina sy ondry aman’osy roa alina sy iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny Zanak’Israely rehetra ny tranon’NY TOMPO. Tamin’io andro io no nanamasinan’ny mpanjaka ny teo afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO, satria teo no nanolorany fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana, rehefa hita fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’NY TOMPO ka tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana naterina. Tamin’io fotoana io i Solomona, niaraka tamin’ny Israely rehetra, dia fiangonana lehibe izay tonga hatrany akaikin’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika hafitoana indroa, izany hoe efatra amby folo andro. Tamin’ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona. Dia nisaotra ny mpanjaka ireo ka lasa nandeha ho any amin’ny tranolainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely olony. Rehefa vitan’i Solomona araka izay rehetra niriny hotanterahina ny fananganana ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka dia niseho tamin’i Solomona indray NY TOMPO, tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona. Hoy NY TOMPO taminy: Efa reko ny vavaka sy ny fifonana izay nataonao teo anatrehako; koa hamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay, ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko. Ary raha mandeha eo anatrehako ianao, tahaka ny nandehanan’i Davida rainao tamin’ny fahitsian’ny fo sy ny fahamarinana ka manatanteraka izay rehetra nandidiako anao sady mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, dia hampitoeriko mandrakizay amin’ny Israely ny sezafiandrianan’ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao. Fa raha miala amin’ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalànako sy ny didiko izay nataoko teo anoloanareo ka mandeha manompo andriamanitra hafa sy miankohoka eo anatrehany, dia hofongorako tsy ho amin’ny tany izay nomeko azy ny Israely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ny anarako ity dia hovereziko tsy ho eo anatrehako; ary ho tonga oha-pitenenana sy faneso any amin’ny firenena rehetra ny Israely; ary na dia avo aza ity trano ity dia mbola hitalanjonan’izay rehetra mandalo izy sady hisioka azy ireo ka hilaza hoe: Naninona re no dia nataon’NY TOMPO toy izao ity tany ity sy ity trano ity? Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy NY TOMPO Andriamaniny izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, fa nifikitra tamin’ny andriamanitra hafa sy niankohoka teo anatrehany izy ireo ka nanompo izany; izany no nampidiran’NY TOMPO izao loza rehetra izao taminy. Roapolo taona no nanaovan’i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka. Ary satria i Hirama, mpanjakan’i Tiro, nanome an’i Solomona hazo sedera sy hazo kipreso ary volamena, araka izay rehetra niriny, dia nomen’i Solomona tanàna roapolo tany amin’ny tany Galilia izy. Niala tany Tiro hizaha ny tanàna izay nomen’i Solomona azy i Hirama, nefa tsy tiany ireny. Hoy izy: Inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kabola mandraka androany. Nampanatitra volamena roapolo amby zato talenta ho an’ny mpanjaka kosa anefa i Hirama. Nampanao fanompoana ny olona i Solomona mpanjaka tamin’ny nanaovany ny tranon’NY TOMPO, ny lapan’andriana, i Milo, ny mandan’i Jerosalema, i Hazora, i Megido ary i Gezera. I Farao, mpanjakan’i Ejipta moa dia nanafika an’i Gezera ka nahazo azy ary nandoro azy tamin’ny afo. Ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny ka ny tanàna dia natolony ho fanomezana ho an’ny zanany vavy, vadin’i Solomona. Namboarin’i Solomona mpanjaka i Gezera, i Bety-Horona ambany, i Baleta ary i Tadmora any an-tany efitra, any amin’ny tany Hamata, mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra. Ary ny olona sisa rehetra tamin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Zanak’Israely, izany hoe ny taranak’izy ireo izay sisa nandimby azy teo amin’ny tany, ary tsy azon’ny Israely natao ho zavatra voaozona, ireo no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany. Tsy nisy nampanaovin’i Solomona fanompoana kosa tamin’ny Zanak’Israely, satria izy ireo no miaramila miady, mpanompony, mpitari-tafika, mpanafika, lehiben’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Izao no isan’ireo mpifehy voatendry izay nitandrina ny asan’i Solomona: Dimampolo sy dimanjato lahy ny mpifehy ny vahoaka manao ny asa. Rehefa niakatra avy any amin’ny Tanànan’i Davida hankany amin’ny tranony izay nataon’i Solomona ho azy ny zanakavavin’i Farao, izay vao nanangana an’i Milo koa izy. Intelo isan-taona no nanoloran’i Solomona fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho an’NY TOMPO ka sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ny alitara teo anatrehan’NY TOMPO izy amin’io. Dia novitainy ny Trano. Ary nanao sambo tao Eziona-Gebera, izay ao anilan’i Elota, ao amoron’ny Ranomasina Mena, any amin’ny tany Edoma, i Solomona mpanjaka. I Hirama dia nampandeha ny mpanompony tamin’ny sambo mba hiaraka amin’ny mpanompon’i Solomona, fa izy ireo dia tantsambo nahay ranomasina. Ary nankany Ofira ireo naka volamena roapolo sy efajato talenta noentiny tany amin’i Solomona mpanjaka. Ary ny mpanjakavavin’i Sheba, rehefa nahare ny lazan’i Solomona noho ny amin’ny anaran’NY TOMPO, dia avy hizaha toetra azy amin’ny fanontaniana sarotra. Koa tonga tany Jerosalema izy mbamin’ny mpanotrona marobe sy ny rameva izay nitondra zavamanitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa tonga tany amin’i Solomona izy dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony. Voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra miafina tamin’ny mpanjaka ka tsy nambarany azy. Rehefa hitan’ilay mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona rehetra sy ny trano izay naoriny, ny fihinany teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Marina ny teny reko tany amin’ny taniko ny amin’ny teninao sy ny fahendrenao! Fa tsy nino ny filazana aho raha tsy tonga tatỳ, koa ny masoko no mahita. Kanjo hay, na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory! Fa indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay manompo anao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao, izay tia anao ka nametraka anao amin’ny sezafiandrianan’ny Israely! Fa noho ny fitiavan’NY TOMPO, izay itiavany ny Israely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka hanao fitsarana sy fahamarinana. Dia nanome volamena roapolo amby zato talenta sy zavamanitra sesehena ary vatosoa ho an’ny mpanjaka izy. Tsy nisy nahatonga zavamanitra be intsony tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba ho an’i Solomona mpanjaka ny tatỳ aoriana rehetra. Ary ireo sambon’i Hirama, izay naka volamena avy any Ofira koa, dia nitondra hazo sarobidy be dia be sy vatosoa. Ny hazo almoga moa dia nanaovan’ny mpanjaka arofanina tamin’ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’andriana ary nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira. Tsy nahitana hazo almoga betsaka toy izany tonga tany mandraka androany. Nomen’i Solomona mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, ankoatra izay nomeny azy araka ny fahalalahan-tanan’i Solomona mpanjaka. Koa niverina nody any amin’ny taniny izy mbamin’ny mpanompony. Ny lanjan’ny volamena izay tonga tao amin’i Solomona isan-taona dia volamena enina amby enimpolo sy eninjato talenta, afa-tsy izay hetra azony avy tamin’ny mpivaro-mandeha sy tamin’ny mpivarotra ary tamin’ny mpanjakan’ny firenena samihafa rehetra sy tamin’ny mpifehy ny tany. Nanao ampinga volamena lehibe roanjato tamin’ny volamena voafisaka i Solomona mpanjaka ka takelaka volamena eninjato sekela no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray. Nanao ampinga volamena telonjato tamin’ny volamena voafisaka koa izy ka takelaka volamena milanja telo mane no napetaka tamin’ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny trano Alan’i Libanona ireo. Nanao sezafiandrianana ivoara lehibe indray ny mpanjaka ka nopetahany takelaka volamena voafantina izany. Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana; ny tapany ambony amin’ny sezafiandrianana dia boribory ny eo an-damosiny; nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin’ny fipetrahana; ary nisy sarivongana liona roa nijoro teo akaikin’ny fitehenan-tanana. Nisy sarivongana liona roa amby folo teo an-daniny roa tamin’ny ambaratonga enina. Tsy nisy nahavita tahaka izany mihitsy tany amin’ny fanjakana rehetra. Ny fanaka fisotroan’i Solomona mpanjaka dia volamena ary ny fanaka rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libanona koa dia volamena voafantina avokoa; tsy nisy volafotsy ireo fa noheverina ho tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona. Fa ny mpanjaka dia nanana sambon’i Tarsisy mbamin’ireo sambon’i Hirama teny ambonin’ny ranomasina; indray mandeha isan-telo taona no tonga ny sambon’i Tarsisy nitondra volamena, volafotsy, ivoara, rajako ary vorombola. Nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany i Solomona mpanjaka. Naniry hahita an’i Solomona ny tany rehetra mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony. Koa samy nahatonga ny fanomezany avy izy rehetra isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zavamanitra, soavaly ary ampondra. Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly koa i Solomona ka nanana kalesy fitondra miady efajato sy arivo ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy, ka natobiny tao amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy sy tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema ireny. Nataon’ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy any Sefela. Avy tany Ejipta no nahazoan’i Solomona soavaly; ny iray toko tamin’ny mpivaro-mandeha an’ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny. Ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray noentiny niakatra avy tany Ejipta dia volafotsy eninjato sekela, ary ny soavaly dimampolo amby zato avy. Toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana. Tia vehivavy maro hafa firenena ankoatra ilay zanakavavin’i Farao anefa i Solomona mpanjaka: Vehivavy moabita, amonita, edomita, sidoniana ary hetita, dia vehivavy avy amin’ny firenena izay nolazain’NY TOMPO tamin’ny Zanak’Israely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary tsy hanambady anareo izy, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ireo no niraiketan’ny fitiavan’i Solomona. Nanana vady andriambavy fitonjato sy vady tsindrano telonjato izy ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo. Nony efa antitra i Solomona dia navilin’ireo vadiny hanaraka andriamanitra hafa ny fony ka tsy nahitsy tamin’NY TOMPO Andriamaniny intsony tahaka ny fon’i Davida rainy. Fa nanaraka an’i Astarta, andriamani-bavin’ny Sidoniana, sy i Milkoma, fahavetavetan’ny Amonita i Solomona. Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO i Solomona ka tsy mba tanteraka tamin’ny fanarahana Azy tahaka an’i Davida rainy. Tamin’izany i Solomona dia nanorina toerana fanaovana sorona ho an’i Kemosy, izay fahavetavetan’i Moaba, teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema, ary koa ho an’i Moloka, izay fahavetavetan’ny taranak’i Amona. Toy izany no nataony ho an’ireo vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo andriamaniny. Tezitra tamin’i Solomona NY TOMPO noho ny nivilian’ny fony niala tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay niseho indroa taminy, sady nanome didy azy ny amin’izany zavatra izany mba tsy hanarahany andriamanitra hafa, kanefa tsy notandremany izay nandidian’NY TOMPO azy. Koa hoy NY TOMPO tamin’i Solomona: Satria izao no nataonao ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny fitsipiko izay nandidiako anao dia hendahiko ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao. Kanefa tsy hataoko amin’ny andronao izany noho ny amin’i Davida rainao; fa rehefa tonga amin’ny zanakao vao hendahiko aminy. Nefa tsy hendahiko manontolo ny fanjakana fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin’i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko. Ary nanangana fahavalo hanohitra an’i Solomona NY TOMPO, dia i Hadada edomita, taranaky ny mpanjakan’i Edoma. Fa fony nanafika an’i Edoma i Davida dia niakatra handevina ny maty tany i Joaba, komandin’ny miaramila, ary namono ny lehilahy rehetra tany; enim-bolana no nitoeran’i Joaba sy ny Israely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany. Tamin’izay fotoana izay i Hadada sy ny Edomita sasany, mpanompon’ny rainy izay nanaraka azy, no nandositra ka nankany Ejipta. Mbola zazalahy kely i Hadada tamin’io. Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana izy ireo homba azy ka nankany Ejipta ho any amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa. Nahita fitia fatratra teo imason’i Farao i Hadada ka ny rahavavin’i Tapanesa, vadin’ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny. Ary ny rahavavin’i Tapanesa dia niteraka zazalahy tamin’i Hadada, dia i Genobata, izay notezain’i Tapanesa tao an-tranon’i Farao; niara-nitoetra tamin’ny zanakalahin’i Farao tao an-dapa i Genobata. Rehefa ren’i Hadada tany Ejipta fa nodimandry any amin’ny razany i Davida sady maty koa i Joaba, lehiben’ny miaramila, dia hoy izy tamin’i Farao: Alefaso hody any amin’ny tanindrazako aho. Hoy anefa i Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko no dia mitady hody any amin’ny tanindrazanao indray ianao? Hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy, fa alefaso ihany aho. Nanangana fahavalo hafa hanohitra an’i Solomona koa Andriamanitra, dia i Rezona, zanak’i Eliada, izay nandositra an’i Hadadezera tompony, mpanjakan’i Zoba. Namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapitenin’ny andian-tafika iray, tamin’ilay fotoana namonoan’i Davida an’izany andian-tafika izany. Nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao. Izy koa dia fahavalon’ny Israely tamin’ny andron’i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon’i Hadada; eny, nankahala ny Israely izy ary nanjaka tany Arama. Ary i Jeroboama, zanak’i Nebata, Efraimita avy any Zareda ary mpanompon’i Solomona, dia nanainga tanana hikomy tamin’ny mpanjaka. Zeroa no anaran’ny reniny, vehivavy mpitondratena iray. Izao no fototry ny nanaingany tanana hikomy tamin’ny mpanjaka: Nanorina an’i Milo i Solomona ary nanampina ny lohasaha tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. I Jeroboama dia lehilahy matanjaka sady mahery fo; koa nony hitan’i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy dia nataony mpifehy ny taranak’i Josefa manontolo tamin’ny fanompoany rehetra. Indray andro, raha nivoaka avy tany Jerosalema i Jeroboama, dia hitan’i Ahia silonita mpaminany teny an-dalana; i Ahia dia nanao akanjo ivelany vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha. Noraisin’i Ahia ny akanjo vaovao izay nanaovany ka notriatriariny ho roa amby folo sady hoy izy tamin’i Jeroboama: Raiso ny tapatapany folo! Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, Izaho hanendaka ny fanjakana ho afaka amin’ny tanan’i Solomona ary homeko anao ny foko folo. Nefa ny foko iray dia mbola havela ho azy ihany noho ny amin’i Davida mpanompoko sy i Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin’ireo fokon’ny Israely rehetra, satria efa nahafoy Ahy izy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Astarta, andriamani-bavin’ny Sidoniana, sy i Kemosy, andriamanitr’i Moaba ary i Milkoma, andriamanitry ny taranak’i Amona, fa tsy nandeha tamin’ny lalako izy ireo mba hanaovany izay mahitsy eo imasoko sy hitandremany ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’i Davida rainy. Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin’ny andro rehetra hiainany noho ny amin’i Davida mpanompoko izay nofidiko ary nitandrina ny lalànako sy ny didiko. Nefa hesoriko tsy ho eo an-tanan’ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, saingy ny firenena folo aminy ihany. Fa ny firenena iray dia homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako. Koa ianao no halaiko ka hanjaka amin’izay rehetra irinao ary ho mpanjaka amin’ny Israely. Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko sady mitandrina ny didiko sy ny lalànako tahaka izay nataon’i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’i Davida, ary homeko anao ny Israely. Hampietry ny taranak’i Davida Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay. Ary nitady hamono an’i Jeroboama i Solomona. Nefa niainga i Jeroboama dia nandositra nankany Ejipta ho any amin’i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’i Solomona. Ny tantaran’i Solomona sisa mbamin’izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’i Solomona va izany? Efapolo taona ny andro nanjakan’i Solomona tamin’ny Israely rehetra tany Jerosalema. Dia nodimandry any amin’ny razany i Solomona ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. I Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy. Ary i Rehoboama dia nankany Sekema satria tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy. Mbola tany Ejipta i Jeroboama, zanak’i Nebata, raha nandre izany; tany Ejipta mantsy no nalehany tamin’izy nandositra an’i Solomona mpanjaka ka nonina tany izy. Nandefa iraka haka azy ny olona, dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ka niteny tamin’i Rehoboama hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano ankehitriny ny fanompoana mafy tamin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay. Nefa hoy izy tamin’izy ireo: Mandehana aloha, fa raha afaka hateloana dia miverena atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona. Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy: Ahoana no hevitra omenareo mba havaly ny vahoaka? Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon’ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Nefa tsy nahoan’i Rehoboama akory ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy fa naka saina tamin’ireo tanora izay indray nihira taminy sady nanompo azy izy ka niteny tamin’ireo hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon’ny rainao taminay? Hoy ny navalin’ireo tanora indray nihira taminy: Raha niteny taminao ny vahoaka hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Dia izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko. Koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo! Kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo. Ary nankany amin’i Rehoboama tamin’ny andro fahatelo i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra, araka ilay nolazain’ny mpanjaka hoe: Miverena atỳ amiko indray amin’ny andro fahatelo. Ary nanao teny mafy tamin’ny olona ny mpanjaka fa tsy niraharaha ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo! Kotopia no namaizan’ny raiko anareo fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo! Tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; avy tamin’NY TOMPO anefa izany fandehan-javatra izany mba hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata. Nony hitan’ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka dia hoy ny vahoaka tamin’ny mpanjaka: Inona moa no anjaranay amin’i Davida? Tsy manana lova amin’ny zanak’i Jese izahay! Samia mody any an-dainy avy, ry Israely e! Ankehitriny, jereo ny tranonao, ry Davida ô! Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Israely. Fa ny Zanak’Israely izay nonina tany amin’ireo tanànan’i Joda ihany no nanjakan’i Rehoboama. Ary naniraka an’i Adorama, lehiben’ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa ny Israely rehetra dia nitora-bato azy ka maty izy. Dia niezaka nankeo amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka ka nandositra ho any Jerosalema. Koa nikomy tamin’ny taranak’i Davida ny Israely mandraka androany. Rehefa ren’ny Israely rehetra fa tafaverina indray i Jeroboama dia nandefa iraka haka azy ho ao amin’ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ny Israely rehetra. Tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida afa-tsy ny fokon’i Joda irery ihany. Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda rehetra mbamin’ny fokon’i Benjamina, dia miaramila voafantina valo alina sy iray hetsy, hiady amin’ny taranak’Israely mba hampody ny fanjakana indray ho amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona. Kanjo tonga tamin’i Semaia, lehilahin’Andriamanitra, kosa, ny tenin’Andriamanitra hoe: Mitenena amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona, mpanjakan’i Joda, sy amin’ny taranak’i Joda sy i Benjamina rehetra ary amin’ny vahoaka sisa hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny Zanak’Israely rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy Amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody araka ny tenin’NY TOMPO. Ary nanamboatra an’i Sekema any amin’ny tany be havoana any Efraima i Jeroboama ka nonina tao; rehefa nivoaka avy tao izy dia nanamboatra an’i Penoela koa. Ary i Jeroboama dia niteny anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hiverina amin’ny taranak’i Davida ihany; satria, raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema ny vahoaka dia hiverina amin’ny tompony indray ny fony, dia amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda, koa hamono ahy izy ireo ka hiverina any amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda. Dia nila hevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; sady hoy izy tamin’ny olona: Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Israely ô, indreo ny andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta! Ny iray dia napetrany tao Betela, fa ny iray hafa kosa tao Dana. Fahotana anefa izany zavatra izany, satria ny olona nandeha teo anatrehan’ny iray tamin’ireo, hatrany Dana. Ary nanorina trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona izy sady nanendry olona avy tao amin’ny vahoaka ho mpisorona, nefa ireo dia tsy avy amin’ny taranak’i Levy akory. Nanendry andro firavoravoana tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ny Joda ihany koa i Jeroboama ka nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo ombilahy kely izay nataony izy. Natsangany tao Betela ireo mpisoron’ny toerana fanaovana sorona izay notendreny. Dia nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany. Nanao andro firavoravoana ho an’ny Zanak’Israely izy ka sady nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara no nandoro ditin-kazo manitra. Raha mbola nijoro teo anilan’ny alitara handoro ditin-kazo manitra i Jeroboama, indro nisy lehilahin’Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’NY TOMPO. Niantso ny alitara araka ny tenin’NY TOMPO ilay lehilahin’Andriamanitra ka niteny hoe: Ry alitara! Ry alitara! Izao no lazain’NY TOMPO: Indro hisy zaza hateraka ho an’ny taranak’i Davida; Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana fanaovana sorona izay mandoro ditin-kazo manitra eo aminao, ary taolan’olona no hodorana eo amboninao! Tamin’io andro io ihany koa dia nanambara famantarana izy ka nilaza hoe: Izao no famantarana nolazain’NY TOMPO: Indro, hitresaka ny alitara ka hiely ny lavenona izay eo amboniny. Nony ren’i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ny lehilahin’Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela dia nampiala ny tanany tamin’ny alitara izy ka niteny hoe: Hazòny Ilehio! Nefa tonga maina ny tanany ilay nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. Dia nitresaka tokoa ny alitara ka niraraka ny lavenona teo amboniny, araka ny famantarana izay nasehon’ilay lehilahin’Andriamanitra noho ny tenin’NY TOMPO. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Mba ifony amin’NY TOMPO Andriamanitrao aho ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Dia nifona tamin’NY TOMPO ilay lehilahin’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany ary tonga tahaka ny teo aloha. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely sady homeko zavatra koa ianao. Hoy anefa ilay lehilahin’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny tranonao, tsy hiditra any an-tranonao aho, na hihinan-kanina, na hisotro rano eto amin’ity toerana ity; fa izao no tenin’NY TOMPO nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’izay lalana efa nalehanao ianao. Dia nandeha tamin’ny lalan-kafa izy fa tsy niverina tamin’ilay nalehany ho any Betela intsony. Nisy mpaminany antitra iray hafa tao Betela. Tonga ireo zanany dia nitantara taminy izay rehetra nataon’ilay lehilahin’Andriamanitra tamin’io andro io tao Betela, ary nolazain’ireo tamin’ny rainy koa ny teny izay nolazain-dRalehilahy tamin’ny mpanjaka. Dia hoy ny rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa ireo zanany no nahita ny lalana nalehan’ilay lehilahin’Andriamanitra izay tonga avy tany Joda. Hoy izy tamin’ireo zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky ka nitaingenany. Ary lasa nanaraka ilay lehilahin’Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta iray. Hoy izy taminy: Ianao moa ilay lehilahin’Andriamanitra avy tany Joda? Hoy ny navaliny: Eny, izaho no izy. Hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hisakafo. Hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano eto amin’ity toerana ity aho, satria tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin’ny lalana efa nalehanao. Nefa hoy ilay iray taminy: Izaho koa dia mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany. Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony. Raha mbola nipetraka teo amin’ny latabatra anefa izy roa lahy dia tonga tamin’ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’NY TOMPO ka niteny mafy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra avy tany Joda izy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano teto amin’ny tany izay nandraran’NY TOMPO anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao. Rehefa avy nihinana sy nisotro izy dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan’ilay mpaminany izay noentiny niverina. Nony nandeha io dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy. Niampatra teo an-dalana ny fatiny, nijanona teo anilany ny boriky, ary ilay liona dia nitoetra teo anilan’ny faty. Ary indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan’ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran’ilay mpaminany antitra. Nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana dia niteny hoe: Ilay lehilahin’Andriamanitra nandà ny tenin’NY TOMPO izay; fa natolotry NY TOMPO tamin’ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’NY TOMPO izay nolazainy taminy. Dia niteny tamin’ny zanany lahy izy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ilay boriky. Nony nandeha izy dia nahita ny fatin-dRalehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan’ny faty; nefa ny liona dia tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky. Dia nobatain’ilay mpaminany ny fatin’ilay lehilahin’Andriamanitra ka nasampiny tamin’ny boriky ary noentiny niverina. Tonga tao an-tanàna ilay lehilahy antitra mba hisaona sy handevina azy. Ary naleviny tao amin’ny fasany ny fatin-dRalehilahy ka nitomanian’ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko! Rehefa voaleviny Ralehilahy dia hoy izy tamin’ny zanany: Rehefa maty aho dia mba aleveno ao amin’ny fasana izay ilevenan’ilay lehilahin’Andriamanitra ka ataovy eo anilan’ny taolany ny taolako. Fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoantsoiny noho ny tenin’NY TOMPO nilaza ny loza ho tonga amin’ny alitara ao Betela sy amin’ny trano rehetra eny amin’ny toerana fanaovana sorona izay any amin’ireo tanànan’i Samaria. Taorianan’izany dia tsy mbola niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jeroboama fa mbola naka olona avy tamin’ny vahoaka ho mpisorona amin’ny toerana fanaovana sorona izy; koa na iza na iza no naniry hatokana dia natokany mba ho tonga mpisoron’ny toerana fanaovana sorona. Koa izany no tonga fahotan’ny taranak’i Jeroboama ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin’ny tany. Indray andro dia narary i Abia, zanak’i Jeroboama. Hoy i Jeroboama tamin’ny vadiny: Miangavy anao aho, mitsangàna ka miovà endrika mba tsy ho fantatr’olona hoe vadin’i Jeroboama ianao. Dia mankanesa any Silo, fa indro, ao i Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ity firenena ity aho. Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara ka mankanesa any aminy; fa hanambara aminao izay ho momba ny zaza izy. Dia nanatanteraka izany ny vadin’i Jeroboama ka niainga nankany Silo, dia nankao an-tranon’i Ahia. Efa tsy nahita intsony i Ahia fa efa pahina noho ny fahanterana ny masony. Nefa NY TOMPO efa nilaza tamin’i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’i Jeroboama hanontany anao ny amin’ny zanany, fa marary izy. Ary izao ka izao no holazainao aminy. Nefa rehefa miditra manketo aminao izy dia mody hiseho ho vehivavy hafa. Nony ren’i Ahia ny figodongodon’ny tongony raha vao niditra teo am-baravarana izy dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’i Jeroboama! Nahoana ianao no mody olon-kafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao. Koa mandehana, lazao amin’i Jeroboama hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Satria nanandratra anao avy tamin’ny olona Aho ka nanendry anao ho mpitarika ny Israely oloko dia nendahiko ho afaka tamin’ny taranak’i Davida ny fanjakana ka nomeko anao; nefa ianao kosa dia tsy mba tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony manontolo mba tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany. Fa nanao izay ratsy mihoatra noho izay rehetra talohanao ianao ka lasa nanao andriamanitra hafa sy sarin-javatra voarendrika ka nahatezitra Ahy, ary Izaho narianao teo ivohonao: Noho izany dia indro, hahatonga loza amin’ny taranak’i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ny tamingan’i Jeroboama, na ny voagadra, na ny olona afaka amin’ny Israely ary hanaisotra ny sisa amin’ny taranak’i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-pahafoanany tanteraka. Koa izay tamingan’i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ny voromanidina; fa NY TOMPO no efa niteny. Koa mitsangàna ianao ka modia any an-tranonao. Raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao dia indro, ho faty ny zaza. Ary ny Israely rehetra dia hisaona sy handevina azy; fa amin’ny tamingan’i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana hatsaram-panahy teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Ary hanangana mpanjaka ho an’ny Israely NY TOMPO ka handringana ny taranak’i Jeroboama izy io. Izao anio izao izany! Ahoana hoe? Izao ankehitriny izao ihany! Fa NY TOMPO hamely ny Israely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Israely amin’ity tany soa nomeny ny razany ity, ary hanely azy ho any andafin’ny ony Eofrata, satria nanao ireo tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany izy ka nahatezitra NY TOMPO. Ary Izy hanolotra ny Israely noho ny fahotana izay nataon’i Jeroboama sady nampanotany ny Israely koa. Dia niainga ny vadin’i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa tonga teo amin’ny tokonam-baravarana izy dia maty ny zazalahy. Nandevina azy ny Israely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Ahia mpaminany mpanompony. Ny tantaran’i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany. Roa amby roapolo taona ny fotoana nanjakan’i Jeroboama. Nodimandry any amin’ny razany izy. I Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nanjaka tamin’i Joda i Rehoboama, zanak’i Solomona. Iraika amby efapolo taona i Rehoboama raha nanomboka nanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely rehetra mba hametrahany ny anarany. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Joda ka nampahasaro-piaro Azy. Ny fahotana izay nataony dia mihoatra noho izay rehetra nataon’ny razany. Fa izy ireo koa dia nanao toerana fanaovana sorona sy tsangambaton-tsampy ary tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teny an-tampon’ny vohitra avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra. Nisy koa aza ireo olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ny tany ka nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO teo anoloan’ny Zanak’Israely. Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama mpanjaka dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta. Nalainy ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka; lasany avokoa izany rehetra izany. Nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon’i Solomona. Ary nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka. Koa na oviana na oviana no nidiran’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia noentin’ny mpiambina ireny ary naveriny tao amin’ny efitranon’ny mpiambina indray avy eo. Ny tantaran’i Rehoboama sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Niady mandrakariva i Rehoboama sy i Jeroboama. Nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. I Abia zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, no tonga mpanjakan’i Joda i Abia. Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Imaka, zanakavavin’i Absaloma. Nandeha tamin’ny fahotana rehetra nataon’ny rainy izy, dia izay nataony teo alohany; ny fony dia tsy mba nahitsy tamin’NY TOMPO Andriamaniny tahaka ny fon’i Davida rainy. Nefa noho ny amin’i Davida dia nomen’NY TOMPO Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy ka natsangany handimby azy ny zanany sady nampaharitra an’i Jerosalema Izy, satria nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Davida ka tsy nivily niala tamin’izay nandidiany azy tamin’ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’i Oria hetita ihany. Niady i Rehoboama sy i Jeroboama tamin’ny andro rehetra niainany. Ny tantaran’i Abia sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Niady i Abia sy i Jeroboama. Nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. I Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely, no tonga mpanjakan’ny Joda i Asa. Iraika amby efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Imaka, zanakavavin’i Absaloma. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Asa, toy ny nataon’i Davida rainy. Nesoriny tamin’ny tany ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon’ny rainy. Na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy intsony, satria nanao sampy mahatsiravina ho an’ny Aseraha; ary nikapa ny sampiny i Asa ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona. Na izany aza, ireo toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’NY TOMPO ny fon’i Asa tamin’ny andro rehetra niainany. Nampidiriny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny zavatra izay nohamasinin’ny rainy mbamin’izay nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka. Niady i Asa sy i Basa, mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andro rehetra niainany. Ary niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda. Ary naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa ka natolony teo an-tanan’ny mpanompony. Avy eo i Asa mpanjaka dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Arama, izay nonina tao Damaskosy, ka nampilazainy hoe: Misy fanekena amiko sy aminao, ary tamin’ny raiko sy ny rainao. Koa indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’i Basa, mpanjakan’ny Israely, mba hialany amiko. Ary nihaino an’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ny komandin’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; ary namely an’Iona, i Dana, i Abela-Bety-Maka ary ny Kinerota manontolo mbamin’ny tanin’ny Naftaly manontolo izy. Rehefa ren’i Basa izany dia nitsahatra tsy nanamboatra an’i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza. I Asa mpanjaka kosa dia nampiantso ny Joda rehetra ka tsy nisy izay tsy nampandrenesiny, mba hanaisotra ny vato sy ny hazo tao Rama izay naorin’i Basa; ary noentin’i Asa mpanjaka nanorenana an’i Geban’i Benjamina sy Mizpa kosa izany. Ny tantaran’i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’izay rehetra nataony ary ny tanàna izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Fa tamin’ny andron’ny fahanterany dia narary tongotra izy. Ary nodimandry any amin’ny razany izy ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. I Josafata zanany no nanjaka nandimby azy. Tonga mpanjakan’ny Israely i Nadaba zanak’i Jeroboama, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda. Nanjaka roa taona tamin’ny Israely izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, fa nandeha tamin’ny lalan’ny rainy sy tamin’ny fahotany izay nampanotany ny Israely. Ary nikomy taminy i Basa, zanak’i Ahia, avy amin’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona izay an’ny Filistina, raha i Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano an’i Gibetona. Nahafaty azy i Basa tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda ka izy no nanjaka nisolo azy. Rehefa nanjaka izy dia namely ny mpianakavin’i Jeroboama rehetra ka tsy nisy navelany ho velona na dia iray akory aza fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Ahia silonita, mpanompony; izany dia noho ny fahotana nataon’i Jeroboama sy noho ny nampanotany ny Israely tamin’izay nataony ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Ny tantaran’i Nadaba sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Niady i Asa sy i Basa, mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andro rehetra niainany. Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no tonga mpanjakan’ny Israely rehetra tao Tirza i Basa, zanak’i Ahia, ka nanjaka efatra amby roapolo taona izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, fa nandeha tamin’ny lalan’i Jeroboama sy tamin’ny fahotany izay nampanotany ny Israely. Tonga tamin’i Jeho, zanak’i Hanany, ny tenin’NY TOMPO ny amin’i Basa hoe: Satria nasandratro avy tamin’ny vovoka ianao ka notendreko ho mpitondra ny Israely oloko, nefa ianao kosa nandeha tamin’ny lalan’i Jeroboama ihany ary nampanota ny Israely oloko ka nahatezitra Ahy tamin’ny fahotany, dia indro, hofongorako i Basa sy ny taranany, ary ny taranakao dia hataoko tahaka ny taranak’i Jeroboama, zanak’i Nebata. Koa izay tamingan’i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ny voromanidina. Ny tantaran’i Basa sisa mbamin’izay nataony ary ny heriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Nodimandry any amin’ny razany i Basa dia nalevina tao Tirza. I Elaha zanany no nanjaka nandimby azy. I Jeho mpaminany, zanak’i Hanany, no nampitondraina ny tenin’NY TOMPO ny amin’i Basa sy ny taranany, satria nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany, ary tonga tahaka ny mpianakavin’i Jeroboama, satria namono ireo koa izy. Tamin’ny taona fahenina amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no tonga mpanjakan’ny Israely tao Tirza i Elaha, zanak’i Basa, ary nanjaka roa taona izy. Nikomy taminy i Zimry mpanompony, lehiben’ny antsasaky ny kalesy fitondrany miady, raha izy nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’i Arza, lehiben’ny lapa tao Tirza. Niditra tao i Zimry ka namely an’i Elaha ho faty tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy. Nony vao nanjaka i Zimry ka nipetraka tamin’ny sezafiandrianany dia namono ny mpianakavin’i Basa rehetra izy ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ny havany, na tamin’ny sakaizany. Toy izany no nandringanan’i Zimry ny mpianakavin’i Basa rehetra, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeho mpaminany ny amin’i Basa, noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’i Elaha zanany koa, izay nataony, sady nampanotany ny Israely ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, noho ny amin’ireo sampiny. Ny tantaran’i Elaha sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no nanjakan’i Zimry andro fito tao Tirza. Tamin’izay dia nanao fahirano an’i Gibetona, izay an’ny Filistina, ny olona, koa ireo olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Nikomy i Zimry sady namono ny mpanjaka koa! Ary ny Israely rehetra tany an-tobiny dia nampanjaka an’i Omry, lehiben’ny miaramila, ho mpanjakan’ny Israely androtr’izay ihany. Dia niakatra avy tao Gibetona i Omry sy ny Israely rehetra niaraka taminy ka nanao fahirano an’i Tirza. Nony hitan’i Zimry fa azo ny tanàna dia lasa niditra tao amin’ny tilikambo-manda tao amin’ny lapa izy ary nodorany tamin’ny afo ny lapa ka may tao izy dia maty. Izany dia noho ny fahotana izay nataony tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’NY TOMPO, tamin’ny nandehanany tamin’ny lalan’i Jeroboama sy tamin’ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Israely. Ny tantaran’i Zimry sisa mbamin’ny fikomiany, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Tamin’izany dia nizara roa ny lehilahin’ny Israely: Ny antsasany dia nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata, mba hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa dia nomba an’i Omry. Ny olona izay nomba an’i Omry anefa no naharesy ireo olona izay nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata ka maty i Tibny ary i Omry no nanjaka. Tamin’ny taona fahiraika amby telopolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no tonga mpanjaka i Omry. Nanjaka roa amby folo taona tamin’ny Israely izy. Tao Tirza no nanjakany nandritra ny enin-taona. Novidiny volafotsy talenta roa tamin’i Samera anefa ny havoanan’i Samaria ka nanorina tanàna teo an-tampon’ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria ny anaran’ny tanàna, araka ny anaran’i Samera, tompon’ny havoana. Nanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO anefa i Omry, eny, nanao izay ratsy mihoatra noho izay rehetra talohany izy; fa nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tamin’ny fahotana izay nampanotany ny Israely izy ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, noho ny amin’ireo sampiny. Ny tantaran’i Omry sisa mbamin’izay nataony sy ny heriny izay nasehony, moa tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Nodimandry any amin’ny razany i Omry, dia nalevina tao Samaria. I Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy. Tonga mpanjakan’ny Israely i Ahaba zanak’i Omry, tamin’ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, ary nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria nandritra ny roa amby roapolo taona izy. Nanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO mihoatra noho izay rehetra talohany i Ahaba, zanak’i Omry. Fa noheveriny ho tsy dia naninona ny miroso amin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ka nampakatra an’i Jezebela, zanakavavin’i Etibaala, mpanjakan’ny Sidoniana, ho vadiny izy, ary nandeha nanompo ny Baala ka niankohoka teo anatrehany. Nanangana alitara ho an’ny Baala tao amin’ny trano naoriny manokana ho an’izany tao Samaria izy. Nanao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha koa i Ahaba ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, mihoatra noho ny mpanjakan’ny Israely rehetra izay talohany. Tamin’ny andron’i Ahaba no nanorenan’i Hiela betelita an’i Jeriko. Ny ain’i Abirama lahimatoany no saran’ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’i Segoba faralahiny no saran’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Josoa, zanak’i Nona. Ary i Elia tisbita, isan’izay nivahiny tany Gileada, dia nilaza tamin’i Ahaba hoe: Raha velona koa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay tompoiko, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany. Ary tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Mialà teto ianao, dia mankanesa any atsinanana, ary miere any anilan’ny renirano Kerita, izay any atsinanan’i Jordana. Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika dia efa nodidiako hamelona anao any. Dia lasa izy ka nanatanteraka ny tenin’NY TOMPO; nandeha izy ka nitoetra teo anilan’ny renirano Kerita any atsinanan’i Jordana. Goaika tokoa no nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary tamin’ny renirano no nisotroany. Nony ela anefa dia ritra ny renirano noho ny tsy fisian’ny ranonorana tamin’ny tany. Dia tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay momba an’i Sidona, dia mitoera any. Fa indro, misy vehivavy mpitondratena izay notendreko hamelona anao any. Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Nony teo am-bavahadin’ny tanàna izy dia indro nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo. Niantso azy i Elia ka niteny hoe: Miangavy anao aho, mba itondray rano kely amin’ny siny aho mba hosotroiko. Nony lasa haka izany Ravehivavy dia niantso azy indray i Elia hoe: Miangavy anao aho, mba itondray mofo kely eny an-tananao koa aho. Hoy anefa Ravehivavy: Raha velona koa NY TOMPO Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran’ny tanana an’ila ao amin’ny siny kely sy diloilo kely foana ao amin’ny tavoara; ary, e! Maka tapa-kitay roa aho izao ary hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka dia ho faty izahay. Hoy i Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra ka manaova araka izany lazainao izany. Nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha dia ento etỳ amiko, fa avy eo vao manaova ho anao sy ny zanakao indray. Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ny siny kely ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ny tavoara, mandra-pahatongan’ny andro handatsahan’NY TOMPO ranonorana amin’ny tany. Dia nandeha Ravehivavy ka nanatanteraka ny tenin’i Elia, ary izy sy Ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. Tsy lany ny koba tao amin’ny siny kely ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ny tavoara, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Elia. Tatỳ aoriana dia narary ny zanak’ilay vehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny ka efa tsy nisy fofonaina intsony ilay zaza. Dia hoy Ravehivavy tamin’i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko hampahatsiaro ny fahotako va ianao ka hahafaty ny zanako? Hoy i Elia taminy: Omeo ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any amin’ny efitrano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandrianany. Nitaraina tamin’NY TOMPO izy hoe: Ry TOMPO Andriamanitro ô, moa hahatonga loza tamin’ny mpitondratena izay ivahiniako koa va Ianao ka hahafaty ny zanany? Dia niampatra intelo tamin’ny zaza izy sady nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ity zaza ity! Ary NY TOMPO nihaino ny feon’i Elia ka nody taminy indray ny ain’ilay zaza ary velona izy. Dia nandray ny zaza i Elia ka nitondra azy nidina avy tao amin’ny efitrano ambony ho ao anaty trano ary natolony ny reniny sady hoy izy: Jereo, velona ny zanakao! Ary hoy Ravehivavy tamin’i Elia: Ankehitriny dia fantatro fa lehilahin’Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’NY TOMPO aloaky ny vavanao. Nony afaka andro maro dia tonga tamin’i Elia ny tenin’NY TOMPO, tamin’ny taona fahatelo hoe: Mandehana miseho amin’i Ahaba fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho. Dia niainga i Elia hiseho amin’i Ahaba. Mafy ny mosary tany Samaria. Ary niantso an’i Obadia, izay lehiben’ny tao an-dapany, i Ahaba. Fa i Obadia dia natahotra NY TOMPO tokoa, fa tamin’ny nandringanan’i Jezebela ny mpaminanin’NY TOMPO dia nalain’i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimampolo avy no nataony tao amin’ny zohy iray, ary novelominy tamin’ny mofo sy rano ireo. Hoy i Ahaba tamin’i Obadia: Andeha mitety ny tany, hatrany amin’ny loharano rehetra sy hatrany amin’ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika ka mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika. Dia nizara lalana izy ka i Ahaba dia nandeha irery tamin’ny lalana iray, ary i Obadia koa nandeha irery tamin’ny lalana iray hafa. Rehefa tany an-dalana i Obadia dia indro, nifanena taminy i Elia. Nahafantatra azy izy ka niankohoka sady niteny hoe: Hay ianao va ity, ry Elia tompoko? Ary hoy izy hoe: Eny, izaho ity. Andeha, lazao amin’ny tomponao hoe: Injao, atsy i Elia! Hoy anefa i Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tanan’i Ahaba hamonoany ahy? Raha velona koa NY TOMPO Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona hoe: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany fa tsy nahita anao tokoa izy ireo. Koa ankehitriny, hoy ianao: Andeha, lazao amin’ny tomponao hoe: Injao, atsy i Elia! Nefa raha vao miala eto aminao aho dia hoentin’ny Fanahin’NY TOMPO any amin’izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho. Izaho mpanomponao anefa dia matahotra NY TOMPO hatry ny fahakeliny. Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ilay namonoan’i Jezebela ny mpaminanin’NY TOMPO, dia ny nanafenako ny mpaminanin’NY TOMPO zato lahy, ka dimampolo avy no nataoko tao amin’ny zohy iray, ary novelomiko tamin’ny mofo sy rano ireo? Nefa ankehitriny, hoy ianao: Andeha, lazao amin’ny tomponao hoe: Injao, atsy i Elia! Dia hamono ahy i Ahaba! Hoy anefa i Elia: Raha velona koa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay tompoiko, dia hiseho amin’i Ahaba tokoa aho anio. Dia lasa i Obadia nitsena an’i Ahaba ka nilaza taminy. Ary nandeha hitsena an’i Elia i Ahaba. Nony hitan’i Ahaba i Elia dia hoy izy taminy: Hay! Tonga etỳ ianao, ry ilay mpampidi-doza amin’ny Israely! Hoy anefa i Elia: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ny Israely fa ianao sy ny mpianakavin’ny rainao ihany, tamin’ny nandaozanareo ny didin’NY TOMPO sy ny nanarahanao ireo Baala. Koa ankehitriny, maniraha olona hamory ny Israely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary vorio any koa ny mpaminanin’ireo Baala dimampolo sy efajato sy ireo mpaminanin’ny Aseraha efajato, izay mihinana eo amin’ny latabatr’i Jezebela. Dia nandefa iraka tany amin’ny Zanak’Israely rehetra i Ahaba ka namory ny mpaminany ho any amin’ny tendrombohitra Karmela. Ary nanatona ny vahoaka rehetra i Elia ka niteny hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha NY TOMPO no Andriamanitra, manaraha Azy! Fa raha ny Baala kosa dia manaraha azy! Nefa tsy namaly azy ny olona na dia indraimbava aza. Dia hoy i Elia tamin’ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ny mpaminanin’NY TOMPO; fa ny mpaminanin’ny Baala kosa dia dimampolo sy efajato lahy. Koa aoka ireo no hanome vantotra ombilahy roa; ary aoka izy no hifidy ny iray, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy handrehetana afo; ary izaho kosa dia hanamboatra ny iray hafa ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy handrehetana afo koa. Dia miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa dia hiantso ny anaran’NY TOMPO. Izay andriamanitra mamaly amin’ny afo, Izy no Andriamanitra. Ary ny olona rehetra dia namaly hoe: Marina izany teny izany! Ary hoy i Elia tamin’ireo mpaminanin’ny Baala: Mifidiana vantotra ombilahy iray ho anareo ka manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza mandrehitra afo. Dia naka ny vantotra ombilahy izay nomena azy izy ireo ka nanamboatra azy, dia niantso ny anaran’ny Baala hatry ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro izy ireo ka niantso hoe: Ry Baala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy feo na valinteny akory. Dia nihinjakinjaka teo anoloan’ny alitara izay nataony koa izy ireo. Nony nitataovovonana ny andro dia nanesoeso azy i Elia hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy! Angamba varian-dresaka izy, na mbola mivoaka, na mbola nisy nalehany, na angamba matory izy ka mila hofohazina! Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra sy ny lefona araka ny fanaony, hany ka loa-dra ny tenany. Ary na dia efa nihilana aza ny andro dia mbola naminany teo ihany ireo hatramin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, nefa tsy nisy feo na valinteny ary tsy nisy nihaino azy akory. Hoy amin’izay i Elia tamin’ny olona rehetra: Manatòna ahy! Dia nanatona azy ny olona rehetra. Namboatra ny alitaran’NY TOMPO izay rava aloha i Elia ka naka vato roa amby folo, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakoba izay niavian’ilay tenin’NY TOMPO hoe: Israely no anaranao; ireo vato ireo dia nataony alitara ho an’ny anaran’NY TOMPO. Dia nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mahalany rano indroan’ny vata famarana voa maina. Avy eo izy dia nandahatra ny kitay hazo sady nandrasa ny vantotra ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ny kitay hazo ary niteny hoe: Fenoy rano ny siny efatra ka aidino eo amin’ny fanatitra dorana manontolo sy eo amin’ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray mandeha koa izany. Dia nataon’izy ireo indray. Ary hoy indray izy: Mbola ataovy indray mandeha ihany koa izany. Dia nataon’izy ireo indray koa. Ary ny rano dia niraraka nanodidina ny alitara ka feno rano koa hatramin’ilay hady kely. Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra dia nanatona i Elia mpaminany ka niteny hoe: Ry TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely ô! Aoka ho fantatra anio fa Ianao no Andriamanitra amin’ny Israely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no nanaovako izao zavatra izao! Mihainoa ahy, mihainoa ahy, ry TOMPO ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Ianao TOMPO no Andriamanitra, ary Ianao no mampiverina ny fony indray! Dia nilatsaka ny afon’NY TOMPO ka nandevona ny fanatitra dorana manontolo sy ny kitay hazo mbamin’ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ilay hady kely. Raha nahita izany ny olona rehetra dia niankohoka tamin’ny tany ary niteny hoe: NY TOMPO, Izy no Andriamanitra! NY TOMPO, Izy no Andriamanitra! Hoy i Elia tamin’izy ireo: Sambory ireo mpaminanin’ny Baala! Aza avela hisy afa-mandositra na dia iray akory aza! Dia nosamborin’ny olona izy ireo ary noentin’i Elia ho eo amin’ny ony Kisona ka novonoiny tany. Ary hoy i Elia tamin’i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa ranonorambe izao misasasasa izao! Dia niakatra hihinana sy hisotro i Ahaba. Fa i Elia kosa dia niakatra ho eo an-tampon’i Karmela dia niankohoka tamin’ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ny lohaliny. Hoy izy tamin’ny zatovony: Miakara kely ka tazano ny ranomasina! Dia niakatra izy ka nitazana ary nilaza hoe: Tsy misy na inona na inona. Impito i Elia no niteny taminy hoe: Miverena! Nony fanimpitony dia hoy ilay zatovo: Misy rahona kely ohatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina. Dia hoy i Elia: Miakara ka lazao amin’i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao ka midìna, fandrao voasakan’ny ranonorana ianao! Ary nihamaizina ny lanitra noho ny rahona sy ny rivotra ka nisy ranonorambe. Dia niakatra tamin’ny kalesy i Ahaba ka nankany Jezirela. Ary ny tanan’NY TOMPO dia tamin’i Elia ka nisikina izy ary nihazakazaka teo alohan’i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela. Dia nolazain’i Ahaba tamin’i Jezebela izay rehetra nataon’i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra. Ary nandefa iraka tany amin’i Elia i Jezebela hilaza hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ny iray amin’ireny ny ainao raha maraina toy izao! Raha nahatsinjo izany i Elia dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy nankany Bery-Sheba izay any Joda, ary ny zatovony dia najanony tao. Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-tany efitra, ary tonga teo ambanin’ny anjavidy iray izy dia nipetraka; nangataka ho faty teo izy ka niteny hoe: Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, TOMPO ô, fa tsy tsara noho ny razako aho. Nony nandry teo izy ka natory, indro nisy anjely nanohina azy ka niteny taminy hoe: Miarena ka homàna! Dia nijery izy ka indro, teo anilan’ny lohany dia nisy mofo voaendy tamin’ny vato mahamay sy rano iray tavoara. Nihinana sy nisotro izy dia nandry indray. Tonga nanohina azy fanindroany ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanohina azy ka niteny hoe: Mifohaza ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao. Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro ary nandeha tamin’ny tanjaka azony tamin’izany hanina izany efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra. Rehefa tonga tany izy dia niditra tao anatin’ny zohy iray ka nandany ny alina tao. Ary indro, tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Manao inona eto ianao, ry Elia? Dia hoy izy: Saro-piaro loatra ny foko noho ny fitiavako NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa ny Zanak’Israely dia nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao dia noravany, ny mpaminaninao dia novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy! Hoy NY TOMPO: Mivoaha avy ato ka mijoroa eo ambonin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’NY TOMPO. Ary indro, nandalo NY TOMPO ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’NY TOMPO; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny rivotra. Nanarakaraka ny rivotra dia nisy horohoron-tany; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny horohoron-tany. Nanarakaraka ny horohoron-tany dia nisy afo; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny afo. Ary nanarakaraka ny afo dia nisy feo toy ny rivotra nitsoka malefaka. Rehefa nahare izany i Elia dia nosaronany ny akanjobeny ivelany ny tavany dia niala teo izy ka nijoro teo am-bavan’ny zohy. Ary indro, nisy feo tonga taminy hoe: Manao inona eto ianao ry Elia? Dia hoy izy: Saro-piaro loatra ny foko noho ny fitiavako NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa ny Zanak’Israely dia nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao dia noravany, ary ny mpaminaninao dia novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy! Hoy NY TOMPO taminy: Mandehana, miverena amin’ny nalehanao ho any an-tany efitr’i Damaskosy; rehefa tonga any ianao dia hosory ho mpanjakan’i Arama i Hazaela. Ary i Jeho, zanak’i Nimsy, kosa dia hosory ho mpanjakan’ny Israely; ary i Elisa, zanak’i Safata, avy any Abela-Mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao. Ary izay afa-mandositra ny sabatr’i Hazaela dia hovonoin’i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr’i Jeho kosa dia hovonoin’i Elisa. Nefa hamela fito arivo ao amin’ny Israely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’ny Baala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy. Dia niala teo i Elia ka nahita an’i Elisa, zanak’i Safata, teo am-piasana tany. Nampiasa omby efatra amby roapolo mikambana tsiroaroa avy izy, ary izy teo amin’ny roa farany indrindra; ary nandroso nanatona azy i Elia, dia nanipy ny akanjobeny ivelany hanarona azy. Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an’i Elia sady niteny hoe: Miangavy anao aho, mba avelao aloha aho hanoroka an’Ikaky sy Ineny vao manaraka anao. Nefa hoy izy taminy: Mandehana miverina! Fa naninona anao moa aho? Dia niverina izy niala tamin’i Elia ka naka omby roa mikambana dia namono azy, ary nahandroiny tamin’ny hazo avy tamin’ny fiasàn’ny omby ihany ny henan’ireo ka nomeny hohanin’ny olona. Ary niainga izy ka nanaraka an’i Elia dia nanompo azy. Ary namory ny miaramilany rehetra i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, ary nisy mpanjaka roa amby telopolo mbamin’ny soavaly sy kalesy fitondra miady niaraka taminy. Dia niakatra izy ka nanao fahirano an’i Samaria ary nanafika azy. Ary nandefa iraka ho any amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tany an-tanàna, izy hilaza aminy hoe: Izao no lazain’i Beny-Hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vady aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa. Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely hoe: Eny, marina ny teninao, ry mpanjaka tompoko ô! Anao aho sy izay rehetra ananako. Dia niverina indray ny iraka ka nilaza hoe: Izao no tenin’i Beny-Hadada: Nandefa iraka tatỳ aminao aho hilaza hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vady aman-janakao dia omeo ahy. Koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao dia hosavainy ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao, ary horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona. Ary nampaka ny loholona rehetra amin’ny tany ny mpanjakan’ny Israely ka niteny hoe: Miangavy anareo aho, fantaro ka jereo fa mila sotasota mihitsy Ilehiny; fa nandefa iraka tatỳ amiko izy haka ny vady aman-janako mbamin’ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko! Hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky azy. Dia hoy i Ahaba tamin’ny irak’i Beny-Hadada: Lazao amin’ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin’ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa dia tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin’i Beny-Hadada indray. Dia nandefa iraka tany aminy i Beny-Hadada ka niteny hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy akory ny vovok’i Samaria hameno ny tanana an’ilan’ireto olona manaraka ahy ireto! Ary namaly ny mpanjakan’ny Israely hoe: Izao no holazainareo aminy: Aoka izay vao misikina hiady mba tsy hirehareha toy izay efa mamaha fehikibo avy niady! Rehefa ren’i Beny-Hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao amin’ny trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin’ny mpanompony: Milahara ianareo! Dia nilahatra hanafika ny tanàna ireo. Ary indro, nisy mpaminany iray nanatona an’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hitanao va ireo vahoaka marobe rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio, dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO. Ary hoy i Ahaba: Amin’ny alalan’iza? Dia hoy izy: Izao no lazain’NY TOMPO: Amin’ny alalan’ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana. Dia hoy izy: Iza ary no hanokatra ny ady? Ianao, hoy izy. Ary nandamina ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izy, koa roa amby telopolo sy roanjato no isany; manaraka izany, nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak’Israely rehetra, koa fito arivo no isany. Dia niainga izy ireo tamin’ny mitataovovonana. Fa nisotro i Beny-Hadada ka mamo tao amin’ny trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka roa amby telopolo izay nanampy azy. Ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana izany no nivoaka voalohany. Ary nandefa iraka i Beny-Hadada ka nisy nanao tatitra hoe: Misy olona miainga avy any Samaria. Dia hoy izy: Na ho avy hihavana izy, na ho avy hiady, dia ataovy sambo-belona! Dia nivoaka avy tao an-tanàna ary ny zatovon’ireo komandin’ny fari-piadidiana sy ny miaramila izay nanaraka azy. Samy nahafaty olona iray avy izy rehetra ka vaky nandositra ny Arameana ary nenjehin’ny Israely. I Beny-Hadada mpanjakan’i Arama kosa dia nandositra an-tsoavaly, izy mbamin’ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa. Dia nivoaka ny mpanjakan’ny Israely ary namely ny soavaly sy ny kalesy fitondra miady ka nahafatesany be dia be ny Arameana. Ary nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay mpaminany ka niteny taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy jereo izay ataonao; fa raha miherina ny taona dia hiakatra indray ny mpanjakan’i Arama hiady aminao. Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Arama taminy: Andriamanitry ny havoana ny andriamanitr’izy ireo, koa izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange isika hiady aminy eny amin’ny tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e! Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin’ny toerany avy ka asio governora hisolo azy. Ary ianao kosa, makà miaramila toraky ny miaramilanao izay maty teo, ary soavaly ho solon’ny soavaly sy kalesy fitondra miady ho solon’ny kalesy fitondra miady; dia hiady aminy eny amin’ny tany lemaka isika ka hahery noho izy. Dia nanaiky ny tenin’ireo izy ka nataony araka izany. Nony niherina ny taona dia nandamina ny Arameana i Beny-Hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin’ny Israely. Ny Zanak’Israely rehetra koa dia nalamina sy novatsiana ka lasa hiady aminy. Ary ny Zanak’Israely nitoby tandrifiny dia toy ny andian’osy roa toko kely, fa ny Arameana kosa dia nanenika ny tany. Ary nanatona ilay lehilahin’Andriamanitra ka nilaza tamin’ny mpanjakan’ny Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nilaza ny Arameana hoe: Andriamanitry ny havoana ihany NY TOMPO fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo vahoaka marobe rehetra ireo ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO. Dia nitoby nifanandrify nandritra hafitoana izy roa tonta. Ary tamin’ny andro fahafito dia raikitra ny ady ka indray andro monja ny Zanak’Israely dia nahafaty miaramila an-tongotra iray hetsy tamin’ny Arameana. Ny sisa kosa dia nandositra nankany Afeka tao an-tanàna; nefa nianjeran’ny manda ny olona fito arivo sy roa alina sisa. I Beny-Hadada kosa dia nandositra nankany an-tanàna ka nifindrafindra efitrano. Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan’ny taranak’Israely; koa miangavy anao aho, avelao hisikina lamba fisaonana izahay ary hanisy mahazaka ny lohanay dia hankany amin’ny mpanjakan’ny Israely; angamba hovelominy ny ainao. Dia nisikina lamba fisaonana izy ary nasiany mahazaka ny lohany dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely izy ka niteny hoe: Izao no tenin’i Beny-Hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko! Ary hoy i Ahaba: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy. Ary nataon’ireo olona ireo fa fambara tsara izany ka tsy niahotrahotra izy ireo nandray azy tamin’ny teniny ka niteny hoe: Rahalahinao hoe i Beny-Hadada! Dia hoy i Ahaba: Mandehana, alao izy. Dia nankany aminy i Beny-Hadada ka nasainy niakatra ho eo amin’ny kalesy fitondrany miady. Ary hoy i Beny-Hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ny raiko tamin’ny rainao dia hampodiko; ary manaova varotra ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ny raiko tany Samaria. Dia hoy i Ahaba: Havelako handeha ianao noho izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka namela azy handeha. Ary nisy lehilahy iray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ny namany araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Miangavy anao aho, kapohy aho! Tsy nety nikapoka azy anefa ilay namany. Dia hoy izy taminy: Satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianao, indro, raha vao miala amiko eto ianao dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy tokoa ilay namany dia nisy liona nifanena taminy ka namono azy. Ary nahita lehilahy hafa indray ilay mpaminany ka niteny hoe: Miangavy anao aho, kapohy aho! Ary nikapoka azy ilay lehilahy ka naharatra azy. Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin’ny masony mba tsy hahafantarana azy. Nony nandalo ny mpanjaka dia nitaraina taminy ilay mpaminany hoe: Izaho mpanomponao dia nankany anatin’ny ady; ary indro, nisy lehilahy iray nivily ka nitondra lehilahy iray tany amiko sady niteny hoe: Hazòny ity lehilahy ity; fa raha toa ka lasa izy dia ny ainao no hisolo ny ainy, na handoa volafotsy iray talenta ianao! Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao dia lasa izy. Hoy ny mpanjakan’ny Israely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao ihany no nilaza izany. Ary nesoriny haingana ilay fehiloha tamin’ny masony ka fantatry ny mpanjakan’ny Israely fa isan’ny mpaminany izy. Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay tena nataoko ho zavatra voaozona, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony. Ary nandeha ho any an-tranony sady maloka tarehy no sosotra ny mpanjakan’ny Israely, dia tonga tany Samaria. Taorianan’izay dia izao no zava-nitranga: I Nabota jezirelita dia nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, akaikin’ny lapan’i Ahaba, mpanjakan’i Samaria. Ary niteny tamin’i Nabota i Ahaba hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ny lapako izy io. Hatakaloko tanim-boaloboka tsara noho io, na vola izay tokony ho vidin’io, raha izany no sitraky ny fonao. Hoy anefa i Nabota tamin’i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’NY TOMPO izany! Tsy homeko anao ny tanindrazako! Ary nankany an-tranony i Ahaba, sady maloka tarehy no sosotra noho ny teny nolazain’i Nabota jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako! Dia nandry teo am-parafarany izy ka nanodina ny tavany ary tsy nety nihinan-kanina. Ary nankeo aminy i Jezebela vadiny ka niteny taminy hoe: Inona no mampahasosotra anao toy izao no tsy mety mihinan-kanina ianao? Hoy izy taminy: Satria niteny tamin’i Nabota jezirelita aho hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola na hatakaloko tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao. Nefa hoy izy tamiko: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko! Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ny Israely? Miarena, mihinàna hanina ary aoka ho ravoravo ny fonao! Izaho no hanome anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita! Ary nanoratra taratasy maromaro tamin’ny anaran’i Ahaba i Jezebela ka notombohiny tamin’ny fitombo-kasen’ny mpanjaka. Avy eo ireo taratasy ireo dia nampitondrainy ho any amin’ny loholona sy ny manankaja tao an-tanànany, dia ireo niara-monina tamin’i Nabota. Izao no nosoratany tao amin’ireo taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary asaivo mipetraka eny aloha eo amin’ny vahoaka i Nabota. Dia asio roa lahy izay tena ratsy fanahy mipetraka manatrika azy sady hiampanga azy hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao! Dia ento miala teo izy ka torahy vato ho faty. Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manankaja izay nonina tao, nanatanteraka izay nanirahan’i Jezebela tany aminy, dia izay voasoratra tao amin’ireo taratasy nampitondrainy tany aminy. Niantso andro fifadian-kanina tokoa izy ireo ka nametraka an’i Nabota teny aloha teo amin’ny vahoaka. Ary niditra ireo roalahy tena ratsy fanahy ka nipetraka nanatrika azy, dia niampanga an’i Nabota ireo ka niteny hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Dia noentin’ny olona nivoaka teny ivelan’ny tanàna i Nabota dia notorahiny vato ka maty. Dia nandefa iraka tany amin’i Jezebela izy ireo hilaza hoe: Efa voatora-bato i Nabota ka maty. Rehefa ren’i Jezebela fa voatora-bato i Nabota ka maty dia hoy izy tamin’i Ahaba: Mitsangàna ka raiso ho anao ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony i Nabota fa efa maty. Rehefa ren’i Ahaba fa efa maty i Nabota dia niainga izy ka nidina nankany amin’ny tanim-boalobok’i Nabota jezirelita mba handray ny tany ho fananany. Ary tonga tamin’i Elia tisbita ny tenin’NY TOMPO hoe: Miaingà ka midìna hihaona amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izay ao Samaria; indro, ao amin’ny tanim-boalobok’i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba handray ny tany ho fananany. Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa namono va ianao ka mbola haka ho anao koa? Ary hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Eo amin’ny tany izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao, dia ny anao indrindra. Hoy i Ahaba tamin’i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary hoy i Elia: Azoko ianao, satria ianao dia efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO. Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin’ny taranak’i Ahaba, na ny gadra, na ny olona afaka amin’ny Israely. Ary ny taranakao dia hataoko tahaka ny taranak’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tahaka ny taranak’i Basa, zanak’i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Israely. Ary ny amin’i Jezebela koa dia nolazain’NY TOMPO hoe: Ny alika no hihinana an’i Jezebela eny ivelan’ny mandan’i Jezirela. Izay tamingan’i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ny voromanidina. Fa tsy nisy tahaka an’i Ahaba, izay nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny. Ary be ny fahavetavetana nataony tamin’ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ny Amorita, izay noroahin’NY TOMPO teo anoloan’ny Zanak’Israely. Rehefa ren’i Ahaba izany teny izany dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin’ny lamba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana. Ary tonga tamin’i Elia tisbita ny tenin’NY TOMPO hoe: Hitanao va ny nanetren’i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin’ny androny; fa any amin’ny andron’ny zanany Aho vao hahatonga loza amin’ny taranany. Nandry fehizay ny tany nandritra ny telo taona ka tsy nisy ady tamin’i Arama sy Israely. Fa tamin’ny taona fahatelo dia nidina i Josafata, mpanjakan’ny Joda, ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely. Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika i Ramota-Gileada, nefa mitoetra foana isika ka tsy maka azy amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Arama? Hoy koa izy tamin’i Josafata: Hiaraka amiko hiady any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Eny, fa tahaka ny tenako ihany ny aminao, ka toy ny momba ny oloko ny amin’ny olonao, ary toy ny amin’ny soavaliko ny amin’ny soavalinao. Hoy anefa i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Miangavy anao aho, mba anontanio aloha ny tenin’NY TOMPO. Dia nanangona ny mpaminany tokony ho efajato lahy ny mpanjakan’ny Israely ka niteny tamin’izy ireo hoe: Moa handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va aho sa tsy handeha? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka! Hoy kosa anefa i Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’NY TOMPO koa va eto mba hanontaniantsika? Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, i Mikaia, zanak’i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO; kanefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy fa loza ihany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka! Ary niantso ny tandapa iray ny mpanjakan’ny Israely ka nilaza taminy hoe: Antsoy haingana i Mikaia, zanak’i Jimla. Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy, teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria, sady samy niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany. Ary i Zedekia, zanak’i Kenana, dia nanao tandroka vy maromaro ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Amin’ireto no hanotoanao ny Arameana mandra-paharingany. Ary ny mpaminany rehetra dia naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-Gileada, dia hambinina ianao! NY TOMPO hanolotra azy eo an-tananao ry mpanjaka! Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray feo avokoa izao ireo mpaminany ka milaza soa ho an’ny mpanjaka. Koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy ireo ka mba mitenena soa koa ianao! Dia hoy i Mikaia: Raha velona koa NY TOMPO, dia izay lazain’NY TOMPO amiko ihany no hambarako! Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka! Hoy koa ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ny anaran’NY TOMPO afa-tsy izay marina ihany? Dia hoy i Mikaia: Hitako fa indreny ny Israely rehetra dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary hoy NY TOMPO: Tsy manan-tompo ireo, koa aoka izy samy hody soa amantsara any an-tranony avy. Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany? Ary hoy i Mikaia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO: Nahita NY TOMPO nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany aho, ary ny tafiky ny lanitra manontolo nijoro teo anilany, dia teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany. Ary hoy NY TOMPO: Iza no hamitaka an’i Ahaba mba handehanany ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny iray dia niteny toy izao, ary ny iray kosa dia niteny toy izatsy. Dia nandroso ny fanahy iray ka nijoro teo anatrehan’NY TOMPO sady niteny hoe: Izaho no hamitaka azy. Hoy NY TOMPO taminy: Amin’inona anefa? Hoy izy: Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray NY TOMPO: Ho voafitakao izy ka hahomby ianao! Mandehana ka ataovy araka izany! Koa indro, ankehitriny, NY TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao rehetra ireto ka NY TOMPO no efa nilaza ny loza hanjo anao! Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, ka namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko ka nitenenany taminao? Hoy ny navalin’i Mikaia hoe: Indro, ho hitanao izany amin’ny andro hitetezanao efitrano mba hierenao. Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely: Sambory i Mikaia ka ento miverina ho any amin’i Amona, lehiben’ny tanàna, sy ho any amin’i Joasy, zanaky ny mpanjaka, dia lazao hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Ataovy ao an-tranomaizina Ilehio ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pijaliana izy mandra-piveriko soa amantsara! Fa hoy i Mikaia: Raha toa ka tafaverina soa amantsara ianao dia tsy nampitenenin’NY TOMPO aho. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra! Dia niakatra nankany Ramota-Gileada ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda. Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady. Fa ny mpanjakan’i Arama efa nandidy ny roa amby telopolo lahy, lehiben’ny kalesy fitondra miady hoe: Aza miady na amin’ny kely na amin’ny lehibe, fa amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany. Nony nahita an’i Josafata ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ny Israely. Dia nitodika nanatrika azy mba hiady aminy ireo, ka niantsoantso i Josafata. Rehefa hitan’ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady fa tsy izy no mpanjakan’ny Israely, dia niverina niala taminy ireo. Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany ka hoy izy tamin’ny mpitondra ny kalesiny: Ahodino ny kalesy ka ento miala teto amin’ny ady aho fa voa. Nihamafy ny ady tamin’izay andro izay ka notohanana ny mpanjaka mba hijoro teo amin’ny kalesiny, nanatrika ny Arameana, nefa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy. Ary ny ra avy tamin’ny ratrany dia nikoriana tao anatin’ny kalesy. Nony efa hilentika ny masoandro dia niely nanerana ny toby izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin’ny taniny avy! Fa maty ny mpanjaka ka noentina tany Samaria ary nalevina tao. Nony nosasana teo amin’ny farihin’i Samaria ny kalesiny dia avy ny alika nilelaka ny rany, raha nandro tao ny vehivavy janga; izany dia araka ny tenin’NY TOMPO tokoa. Ny tantaran’i Ahaba sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny trano voaravaka ivoara izay natsangany ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Nodimandry any amin’ny razany i Ahaba. I Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy. Tonga mpanjakan’ny Joda i Josafata, zanak’i Asa, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely. Dimy amby telopolo taona i Josafata raha nanomboka nanjaka ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Azoba, zanakavavin’i Sily. Nandeha tamin’ny lalana rehetra izay nalehan’i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’izany fa nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO; kanefa tsy mba noravana ireo toerana fanaovana sorona ka mbola namono zavatra hatao fanatitra ny olona sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana ihany. Ary tsara fihavanana i Josafata sy ny mpanjakan’ny Israely. Ny tantaran’i Josafata sisa sy ny heriny mbamin’ny ady nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Ny sisa tamin’ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho amin’ny fanompoan-tsampy, dia izay mbola tany amin’ny andron’i Asa rainy, dia nofongorany tsy ho eo amin’ny tany. Tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizany fa mpifehy voatendry no nitondra ny fanjakana. Ary nanao sambon’i Tarsisy folo hankany Ofira i Josafata mba haka volamena; nefa tsy lasa tany izy satria nahavakiana tao Eziona-Gebera ireo sambo ireo. Dia hoy i Ahazia, zanak’i Ahaba, tamin’i Josafata: Aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao any an-tsambo ny mpanompoko! Tsy nety anefa i Josafata. Nodimandry tany amin’ny razany i Josafata, dia nalevina niaraka amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. I Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahafito amby folo nanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Ahazia, zanak’i Ahaba. Nanjaka roa taona tamin’ny Israely izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy satria nandeha tamin’ny lalan’ny rainy sy ny reniny ary tamin’ny lalan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanota ny Israely. Nanompo ny Baala izy ary niankohoka teo anatrehany ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tahaka izay rehetra nataon’ny rainy. Rehefa maty i Ahaba dia nikomy tamin’ny Israely ny Moabita. Ary nianjera avy teo amin’ny makarakara teo amin’ny efitrano ambony tao Samaria i Ahazia ka narary. Dia nandefa iraka izy ka niteny taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, na ho sitrana amin’ity aretiko ity ihany aho na tsia. Ary niteny tamin’i Elia tisbita Ilay Anjelin’NY TOMPO hoe: Miaingà, miakara hihaona amin’ny iraky ny mpanjakan’i Samaria ka lazao aminy hoe: Moa tsy misy Andriamanitra va eo amin’ny Israely no mandeha hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo? Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO: Tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa. Dia lasa i Elia. Nony niverina tany amin’ny mpanjaka ny iraka dia hoy izy taminy: Nahoana re ianareo no niverina? Hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka niteny taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka izay naniraka anareo ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy misy Andriamanitra va eo amin’ny Israely no mandefa iraka hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo? Noho izany dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa. Hoy i Ahazia taminy: Lehilahy toy inona izany lehilahy niakatra nitsena anareo izany, izay nilaza izany teny izany taminareo? Ary hoy ireo taminy: Lehilahy mitafy volom-biby sady manao fehikibo hoditra. Dia hoy i Ahazia: I Elia tisbita izany! Ary ny mpanjaka naniraka olona iray, mpifehy dimampolo, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny, mba hankany amin’i Elia. Dia niakatra tany aminy izy ireo ka indro, nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra i Elia; ary niteny taminy Ralehilahy hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, asain’ny mpanjaka midina ianao! Nefa i Elia namaly ny mpifehy dimampolo hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimampolo lahy fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimampolo lahy feheziny. Ary naniraka mpifehy dimampolo hafa, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny ny mpanjaka, mba hankany aminy indray. Hoy izy tamin’i Elia: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, izao no tenin’ny mpanjaka: Midìna haingana ianao! Fa namaly azy i Elia hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ny dimampolo lahy fehezinao! Dia nisy afon’Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimampolo lahy feheziny. Mbola naniraka mpifehy dimampolo hafa indray koa, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny ny mpanjaka. Dia niakatra ilay mpifehy dimampolo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’i Elia sady nifona taminy hoe: Miangavy anao re aho, ry lehilahin’Andriamanitra ô, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto mpanomponao dimampolo ireto! Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimampolo ireo mbamin’ny dimampolo feheziny avy; fa ankehitriny, aoka kosa ho sarobidy eo imasonao ny aiko! Ary hoy Ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Elia: Midìna ihany ianao hiaraka aminy fa aza matahotra azy. Dia niainga i Elia ka nidina niaraka taminy ho any amin’ny mpanjaka. Hoy izy tamin’ny mpanjaka: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria ianao naniraka olona mba hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ka ohatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Israely, dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa. Dia maty izy araka ny tenin’NY TOMPO izay nolazain’i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia i Jehorama no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda. Ny asan’i Ahazia sisa izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Nony efa hampiakarin’NY TOMPO any an-danitra amin’ny tafio-drivotra i Elia dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy i Elisa. Hoy i Elia tamin’i Elisa: Miangavy anao aho, mijanòna eto fa NY TOMPO naniraka ahy ho any Betela. Nefa hoy i Elisa: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho! Dia nidina nankany Betela izy roa lahy. Ary nandeha nankany amin’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka niteny taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hakan’NY TOMPO an’i Elia tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo. Ary hoy i Elia taminy: Miangavy anao aho, ry Elisa, mijanòna eto; fa NY TOMPO naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy i Elisa: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy handao anao mihitsy aho! Dia tonga tany Jeriko izy roa lahy. Ary nanatona an’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko ka niteny taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hanalan’NY TOMPO ny tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao? Ary hoy izy hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo. Ary hoy i Elia taminy: Miangavy anao aho, mijanòna eto; fa NY TOMPO naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy i Elisa hoe: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy handao anao mihitsy aho! Dia lasa nandeha izy roa lahy. Ary nisy dimampolo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrify azy teny lavitra teny; fa izy roa lahy kosa nijanona teo amoron’i Jordana. Ary i Elia nandray ny akanjobeny ivelany ka namalona azy dia nikapoka ny rano ka nisaraka roa ny rano, dia nita tamin’ny tany maina izy roa lahy. Nony efa tafita izy roa lahy dia hoy i Elia tamin’i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola nosarahina miala aminao aho. Hoy i Elisa: Miangavy anao aho, aoka ny anjaran-droa amin’ny fanahinao mba ho ahy! Hoy i Elia: Sarotra ny zavatra angatahinao. Kanefa raha mahita ahy sarahina aminao ianao dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho aminao izany. Raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy dia indro, nisy kalesy afo fitondra miady sy soavaly afo nampisaraka azy, ary niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra i Elia. Ary raha nahita izany i Elisa dia niantso hoe: Ry Ikaky ô! Ry Ikaky ô! E ny kalesy fitondra miady an’ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa, dia nalainy ny akanjobe ivelany an’i Elia izay latsaka avy teny aminy, ary niverina izy ka nitsangana teo amoron’ny Jordana. Dia noraisin’i Elisa ny akanjobe ivelany an’i Elia, ilay latsaka avy teny aminy ka nakapony ny rano dia hoy izy: Aiza NY TOMPO, Andriamanitr’i Elia? Eny, i Elisa koa nikapoka ny rano dia nisaraka roa izany ka nita izy. Nony nahita azy nifanatrika ireo zanaky ny mpaminany tao Jeriko dia niteny hoe: Ny fanahin’i Elia no mipetraka amin’i Elisa! Dia nandeha nitsena azy izy ireo ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. Ary hoy ireo taminy: Indro, misy dimampolo lahy matanjaka ato amin’ny mpanomponao. Miangavy anao izahay, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, sao noentin’ny Fanahin’NY TOMPO izy ka nazerany any an-tendrombohitra any, na any an-dohasaha any. Fa hoy i Elisa: Aza maniraka azy ianareo! Nanery azy fatratra anefa ireo ka farany dia hoy izy: Maniraha azy ary ianareo! Dia naniraka dimampolo lahy izy ireo; nitady an’i Elia nandritra ny hateloana ireny nefa tsy nahita azy. Dia tonga tao amin’i Elisa indray ireny raha mbola tao Jeriko ihany izy ka nataony hoe: Tsy efa nilaza taminareo va aho hoe: Aza mandeha? Hoy ny mponina tao amin’izany tanàna izany tamin’i Elisa: Miangavy anao izahay: Indro, tsara toerana ity tanàna ity, araka izao hitanao izao, tompokolahy, saingy ratsy rano, ary ny tany dia tsy mampahavanona anaka. Dia hoy i Elisa: Itondray lovia vaovao aho ka asio sira ao anatiny. Dia noentiny tany aminy izany. Ary lasa nankany an-dohan’ny rano izy, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahasitrana ity rano ity Aho; tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavanonana anaka intsony ity. Koa tonga tsara ny rano mandraka androany araka ny teny izay nolazain’i Elisa. Ary niakatra avy tao i Elisa ka nankany Betela; nony niakatra teny an-dalana izy dia indreo, nisy ankizilahy avy tao an-tanàna nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola! Miakara, ry ilay sola! Ary nitodika izy ka nahita azy dia nanozona azy tamin’ny anaran’NY TOMPO. Dia nisy bera vavy roa avy tany an’ala namiravira roa amby efapolo tamin’ireo ankizilahy madinika ireo. Dia niala teo i Elisa ka nankany amin’ny tendrombohitra Karmela, ary avy tao izy no niverina ho any Samaria. I Jehorama, zanak’i Ahaba, dia nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria tamin’ny fahavalo amby folo taona nanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda; ary nanjaka nandritra ny roa amby folo taona izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO koa izy, nefa tsy dia tahaka ny rainy kosa na tahaka ny reniny. Nanaisotra ilay tsangambaton’ny Baala izay nataon’ny rainy izy; nefa izy dia nikikitra tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely fa tsy niala tamin’izany. Ary i Mesa, mpanjakan’i Moaba dia nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ny mpanjakan’ny Israely izy, dia zanak’ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy mbamin’ny volon’ondry avy aminy. Fa rehefa maty i Ahaba dia nikomy tamin’ny mpanjakan’ny Israely ny mpanjakan’i Moaba. Ary niainga avy tany Samaria i Jehorama mpanjaka tamin’izany andro izany ka nandamina ny Israely rehetra. Nandeha izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda hilaza hoe: Nikomy tamiko ny mpanjakan’i Moaba. Koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Hoy i Josafata: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, koa ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao. Hoy koa izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Dia namaly i Jehorama hoe: Ilay mamakivaky ny tany efitr’i Edoma. Dia nandeha ny mpanjakan’ny Israely sy ny mpanjakan’ny Joda ary ny mpanjakan’i Edoma; nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ny miaramila sy ny biby fiompy izay noentiny. Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely: Indrisy! NY TOMPO efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tanan’i Moaba! Ary hoy i Josafata: Tsy misy mpaminanin’NY TOMPO va eto mba hanontaniantsika amin’NY TOMPO? Dia nisy iray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’ny Israely namaly hoe: Ato ihany i Elisa, zanak’i Safata, ilay mpanondraka rano ny tanan’i Elia. Hoy i Josafata: Ao amin’izy io tokoa ny tenin’NY TOMPO. Dia nidina nankany amin’i Elisa ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata ary ny mpanjakan’i Edoma. Ary hoy i Elisa tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ny mpaminanin’ny rainao sy ny mpaminanin’ny reninao. Nefa hoy ny mpanjakan’ny Israely taminy: Tsia, fa NY TOMPO efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tanan’i Moaba. Dia hoy i Elisa: Raha velona koa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay tompoiko, raha tsy noho ny fanajako an’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho. Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga dia nanindry an’i Elisa ny tanan’NY TOMPO. Ary hoy izy: Izao no lazain’NY TOMPO: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity! Fa hoy NY TOMPO: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo. Ho zavatra kely ihany eo imason’NY TOMPO izany, fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy. Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna lehibe rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra sady hanipy vato amin’ny tany soa rehetra ho fanimbana azy. Nony maraina, tokony ho tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin’ny lalana mankany Edoma ka feno rano ny tany. Nony ren’ny Moabita rehetra fa tamy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo dia nivory izy, hatramin’izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, dia niandry teo amin’ny sisintaniny. Ary nony nifoha vao maraina ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin’ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny ra. Dia hoy izy: Ra io! Efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo ary efa nifamely izy rehetra; koa baboy amin’izao, ry Moaba! Kanjo nony efa tonga teo an-tobin’ny Israely izy dia nitsangana ny Israely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa niditra hatrany amin’ny tanin’ny Moabita ny Israely ka mbola namely azy ihany. Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra. Nony farany, tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-Haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ny mpandefa antsamotady ka nasiany. Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tohany ny ady dia nitondra fitonjato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edoma, nefa tsy afaka izy ireo. Dia nalainy ny zanany lahimatoa izay natao hanjaka handimby azy ka natolony ho fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ny manda. Dia niharan’ny fahatezerana mafy ny Israely ka niala taminy ary niverina ho any amin’ny taniny. Ary nisy vehivavy iray, vadin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisa hoe: Maty ny vadiko izay mpanomponao; ary ianao dia mahafantatra fa natahotra NY TOMPO ny mpanomponao; nefa tonga ny tompon-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony. Dia hoy i Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: Inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy Ravehivavy: Ny mpanompovavinao dia tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja. Hoy izy: Andeha mindrana vilany amin’ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy! Rehefa tafiditra ianao dia aoka hirindrim-baravarana ao miaraka amin’izy mirahalahy zanakao, ary mampidìna diloilo amin’ireo vilany rehetra ireo ka atokàny izay feno. Dia niala teo aminy Ravehivavy ka nirindrim-baravarana miaraka amin’izy mirahalahy zanany, ary nitondra ny vilany nankao aminy izy mirahalahy, fa ny reniny kosa dia nampidina ny diloilo. Nony feno ny vilany dia hoy izy tamin’ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Dia tapitra ny diloilo. Dia avy Ravehivavy ka nilaza tamin’ny lehilahin’Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo mba anefanao izay trosan’olona aminao ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao. Indray andro i Elisa dia nankany Sonema. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy hisakafo. Isaky ny mandalo izy dia nivily nankao aminy hisakafo. Ary hoy Ravehivavy tamin’ny vadiny: Indro, fantatro fa olona masina sady lehilahin’Andriamanitra ilay lehilahy mpandalo eto amintsika mandrakariva iny. Miangavy anao aho, andeha isika hanao efitrano kely ambony rihana; hasiantsika fandriana sy latabatra ary seza sy fitoeran-jiro ho azy ao, koa rehefa tonga eto amintsika izy dia ao no hipetraka. Indray andro, tonga tao i Elisa ka nipetraka tao amin’ilay efitrano ambony ary nandry tao. Ary hoy izy tamin’i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Rehefa nantsoiny Ravehivavy dia nitsangana teo anatrehany. Hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Mba lazao amin-dRavehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’izao fikarakarana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ny mpanjaka va ianao, na amin’ny lehiben’ny miaramila? Dia namaly Ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ny fireneko aho. Ary hoy i Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly i Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy? Ary hoy i Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy dia nitsangana teo am-baravarana. Dia hoy izy: Amin’ny fotoana toy izao, amin’ny herintaona, dia hitrotro zazalahy ianao. Nefa hoy Ravehivavy: Tsia, tompokolahy, lehilahin’Andriamanitra! Aza mandainga amin’ny mpanompovavinao! Kanefa nanana anaka tokoa Ravehivavy, koa nony niherina ny taona dia tera-dahy izy, dia tamin’ilay fotoana nolazain’i Elisa taminy. Dia niha lehibe ny zaza. Indray andro dia nankany amin’ny rainy tany amin’ny mpijinja vary izy, ary hoy izy tamin’ny rainy: Kay! Ny lohako! Ny lohako! Hoy rainy tamin’ny zatovo iray: Ento ho any amin’ny reniny izy. Dia notrotroin’ilay zatovo izy ka noentiny ho any amin’ny reniny; nampofoiny mandra-pitataovovonan’ny andro izy dia maty izy avy eo. Dia niakatra Ravehivavy ka nampandry azy teo amin’ny fandrianan’ilay lehilahin’Andriamanitra ary narindriny ny trano ka niala teo izy. Ary niantso ny vadiny izy ka niteny hoe: Miangavy anao aho, asaivo misy zatovo iray mankaty amiko mitondra borikivavy iray, fa handeha haingana ho any amin’ny lehilahin’Andriamanitra aho dia hiverina indray. Fa hoy ny vadiny: Inona no ankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Hoy Ravehivavy: Aza manahy! Ary nanisy lasely ny borikivavy Ravehivavy ka hoy izy tamin’ny zatovony: Tariho izy ka mizora; aza ajanonjanonao akory aho raha tsy ampijanoniko ianao! Dia lasa Ravehivavy nankany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan’ilay lehilahin’Andriamanitra avy izy dia hoy izy tamin’i Gehazy zatovony: Ilay vehivavy sonemita irỳ! Miangavy anao aho, mihazakazaha hitsena azy ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zaza? Ary hoy Ravehivavy: Tsara ihany. Ary rehefa tonga tany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy dia nandray ny tongony; nefa nanatona hanosika azy hiala teo i Gehazy. Hoy anefa ny lehilahin’Andriamanitra: Avelao ihany izy fa ory ny fanahiny ao anatiny; NY TOMPO nanafina izany tamiko fa tsy nanambara tamiko. Dia hoy Ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy efa nilaza va aho hoe: Aza mamitaka ahy? Ary hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko ka mandehana. Raha mifanena amin’olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko. Hoy anefa ny renin’ny zaza: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho! Dia nitsangana ilay lehilahin’Andriamanitra ka nanaraka azy. Nialoha azy i Gehazy ka nametraka ny tehina teo amin’ny tavan’ny zaza, nefa tsy nisy feo na fihetsehana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zaza. Rehefa tonga tao an-trano i Elisa dia indro, efa maty ny zaza sady nampandriana teo am-pandrianany. Ary niditra izy ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy ary nivavaka tamin’NY TOMPO i Elisa. Dia niakatra izy ka nandry niampatra teo ambonin’ilay zaza, ary ny vavany dia nataony tamin’ny vavany, ny masony tamin’ny masony, ary ny tanany dia tamin’ny tanany; dia niondrika teo amboniny izy ka niha nafana ny tenan’ilay zaza. Avy eo niasa dia tao an-trano izy dia niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zaza ary nihiratra ny masony. Dia niantso an’i Gehazy i Elisa ka nilaza hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Rehefa tafiditra tao aminy izy dia hoy i Elisa: Raiso ny zanakao. Dia niditra Ravehivavy ka niantoraka tamin’ny tongony sady niankohoka tamin’ny tany, ary nandray ny zanany izy ka lasa nandeha. Ary niverina nankany Gilgala i Elisa; ary nisy mosary tamin’ny tany; ary raha nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany dia hoy izy tamin’ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe ary mahandroa hanina ho an’ny zanaky ny mpaminany. Dia nankany an-tsaha ny iray hitsongo anana ka nahita voantango dia ary nanangona voany iray trotroana avy amin’io; nony tonga izy dia nosolatsolarany ka narotsany tao amin’ny vilany nisy ny nahandro, nefa tsy nisy nahafantatra izany. Dia noloarany hohanin’ny olona io; nefa raha vao nihinana izy dia nitaraina hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô! Misy fahafatesana ao am-bilany! Dia tsy azony nohanina izany. Fa hoy i Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba ka hoy izy: Andoary amin’izay ny olona hohaniny. Dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony ny tao am-bilany. Nisy lehilahy avy tany Baala-Salisa nitondra mofo avy amin’ny voaloham-bokatra ho an’ny lehilahin’Andriamanitra, dia mofo varimbazaha roapolo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Hoy anefa i Elisa: Omeo ny olona ireny hohaniny. Hoy ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ny zato lahy? Ary hoy indray i Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’NY TOMPO: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany. Dia narosony teo anoloany ka nihinana izy ireo, ary mbola nisy tokoa sisa tsy lany, araka ny tenin’NY TOMPO. Ary i Namàna, komandin’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Arama, dia olona lehibe teo anatrehan’ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’NY TOMPO an’i Arama. Izany lehilahy mahery izany anefa dia boka. Ary raha nandeha nanafika ny Arameana dia nitondra zazavavy kely iray azony babo avy tany amin’ny tanin’ny Israely; nanompo ny vadin’i Namàna izy io. Hoy io tamin’ny tompovaviny: Enga anie ka mba ho ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! Fa hanafaka azy amin’ny habokany izy! Ary niditra i Namàna ka nilaza tamin’ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain’ilay zazavavy izay avy tany amin’ny tanin’ny Israely. Dia hoy ny mpanjakan’i Arama: Mandehana ary, fa hampitondra taratasy ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekela ary akanjo impolo miova. Ary izy dia nitondra ilay taratasy ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely nilaza hoe: Rehefa tonga atỳ aminao ity taratasy ity dia ho fantatrao fa efa nampandeha an’i Namàna mpanompoko hankaty aminao aho, koa afaho amin’ny habokany izy. Nony novakin’ny mpanjakan’ny Israely ny taratasy dia nandriatra ny fitafiany izy ka niteny hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan’ilehiny iraka hankaty amiko mba hanafahako olona amin’ny habokany? Koa miangavy anareo aho, fantaro sy zahao fa mila ady amiko mihitsy izy! Nony ren’i Elisa, lehilahin’Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ny Israely dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjaka izy hilaza hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankaty amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ato amin’ny Israely. Dia nandeha i Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisa. Ary nandefa iraka tany aminy i Elisa hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao ka hadio ianao. Fa tezitra i Namàna dia lasa nandeha sady niteny hoe: Indro, nataoko fa hanatona atỳ amiko tokoa izy ka hijoro sy hiantso ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny sady hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny aretina ka hanafaka ny habokana. Tsy tsara noho ny ranon’ny Israely rehetra va i Abana sy i Farpara, onin’i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana. Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry Ikaky ô! Na dia zavatra lehibe aza no nasain’ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? Koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa dia hadio ianao? Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ny lehilahin’Andriamanitra; ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray ka nadio izy. Ary niverina nankao amin’ny lehilahin’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nanaraka azy ka nony tonga tao dia nitsangana teo anatrehany sady niteny hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra afa-tsy ato amin’ny Israely ihany. Koa miangavy anao aho, raiso ny saotra aterin’ny mpanomponao. Hoy anefa izy: Raha velona koa NY TOMPO izay tompoiko dia tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy nefa tsy nety i Elisa. Dia hoy i Namàna: Raha izany ary no izy, miangavy anao aho mpanomponao, mba homena tany zakan’ny ampondra roa, fa ny mpanomponao dia tsy mba hanolotra fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa intsony ho an’ny andriamanitra hafa, fa ho an’NY TOMPO ihany. Nefa aoka havelan’NY TOMPO ny heloky ny mpanomponao ny amin’izao zavatra izao: Rehefa miditra ao amin’ny tempolin’i Rimona hiankohoka ao ny tompoko, ary mitehina amin’ny tanako, ka mba miankohoka ao amin’ny tempolin’i Rimona aho, NY TOMPO anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’izany zavatra izany raha miankohoka ao aho! Dia hoy i Elisa taminy: Mandehana soa amantsara. Dia nisaraka taminy izy ary nandeha lavidavitra. Ary hoy i Gehazy, zatovon’i Elisa, lehilahin’Andriamanitra: Indro, ny tompoko dia namela fotsiny ity Namàna arameana ity ka tsy nandray izay zavatra noentiny akory; fa raha velona koa NY TOMPO dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra avy aminy. Dia lasa i Gehazy nanaraka an’i Namàna. Nony nahatazana azy avy mihazakazaka manaraka azy i Namàna dia niala haingana tamin’ny kalesy mba hitsena azy ka niteny hoe: Tsara ihany va? Ary hoy izy: Tsara ihany. Fa naniraka ahy ny tompoko hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ny tany be havoana any Efraima; koa miangavy anao aho, mba omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy. Ary hoy i Namàna: Mandraisa talenta roa. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ny fitafiana indroa miova, dia nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary ireo nitondra izany teo anoloan’i Gehazy. Nony tonga teo Ofela izy dia nalainy izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo zatovo roalahy ka nisaraka taminy. Fa lasa kosa i Gehazy ka nitsangana teo anatrehan’ny tompony. Ary hoy i Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza na taiza ny mpanomponao. Hoy anefa i Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ilay nihodina niala tamin’ny kalesy hitsena anao Ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy, na mpanompovavy va izao? Koa ny habokan’i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay! Ary niala teo anatrehany i Gehazy ka indro, boka ka fotsy toa ny orampanala izy. Hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao. Miangavy anao izahay, aoka izahay hankany Jordana ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy i Elisa: Mandehana ary! Fa hoy ny iray: Miangavy anao aho, aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao ho any koa ianao! Dia namaly izy hoe: Eny ary, handeha aho! Dia niaraka taminy izy ka nony tonga tany Jordana ireo dia nikapa hazo. Rehefa nikapa hazo anefa ny iray dia latsaka tany anaty rano ny lelam-pamaky ka nitaraina izy hoe: Indrisy, tompoko, zavatra nindramina ange iny e! Ary hoy ny lehilahin’Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary nanapaka hazo i Elisa ka natsipiny teo dia nitsinkafona ilay lelam-pamaky. Ary hoy izy: Raiso! Dia narosony ny tanany ka noraisiny. Ary ny mpanjakan’i Arama dia niady tamin’ny Israely ka nidinika niaraka tamin’ny mpanompony izy ary niteny hoe: Any Ananona no hitobiako. Ary ny lehilahin’Andriamanitra kosa nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’ny Israely hilaza hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ny Arameana. Ary ny mpanjakan’ny Israely nandefa iraka tany amin’izay nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra taminy; nampitandrina azy izy ka nametraka mpiambina tany; tsy indray mandeha ihany na indroa akory aza no nitrangan’izany. Dia sosotra indrindra ny mpanjakan’i Arama noho izany zavatra izany. Koa niantso ny mpanompony izy ary niteny taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay olona eto amintsika miandany amin’ny mpanjakan’ny Israely? Ary hoy ny mpanompony iray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko! Fa i Elisa mpaminany ao amin’ny Israely ihany no milaza amin’ny mpanjakan’ny Israely na dia izay teny lazainao ao amin’ny efitrano fandrianao aza. Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, zahao izay itoerany mba handefasako iraka hisambotra azy. Dia nolazaina taminy hoe: Indro, any Dotana izy. Dia nampandeha soavaly sy kalesy fitondra miady ary miaramila maro ho any izy; tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna. Nony nifoha vao maraina ny zatovon’ny lehilahin’Andriamanitra ka nivoaka ny trano, dia indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy fitondra miady manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana ny hataontsika? Hoy i Elisa: Aza matahotra, fa ny momba antsika dia maro noho ny momba azy. Ary i Elisa dia nivavaka hoe: TOMPO ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany! Ary NY TOMPO nampahiratra ny mason’ilay zatovo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo fitondra miady manodidina an’i Elisa. Dia nidina nankeny amin’i Elisa ireo. Ary i Elisa dia nivavaka tamin’NY TOMPO hoe: Mifona aminao aho, ataovy jamba ireto olona ireto! Dia nataony jamba ireo araka ny tenin’i Elisa. Ary hoy i Elisa tamin’ireo: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna! Fa manaraha ahy ianareo dia hitondra anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo aho! Dia noentiny nankany Samaria ireo. Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo dia hoy i Elisa: TOMPO ô, ampahirato ny mason’ireto mba hahita izy! Ary NY TOMPO nampahiratra ny masony dia hitany fa indro, tao afovoan’i Samaria izy. Nony nahita azy ireo ny mpanjakan’ny Israely dia niteny tamin’i Elisa hoe: Ry Ikaky ô, hovonoiko va izy ireo? Hovonoiko va izy ireo? Fa hoy izy hoe: Aza vonoinao izy; moa hovonoinao va izay nobaboinao tamin’ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny, ary aoka izy handeha ho any amin’ny tompony. Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo dia nampandehaniny ka nankany amin’ny tompony. Koa tsy nankany amin’ny tanin’ny Israely intsony ny mpihantsy adin’i Arama. Nony afaka izany dia namory ny miaramilany rehetra i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, dia niakatra ary nanao fahirano an’i Samaria. Dia nisy mosary mafy tany Samaria. Mafy ny fahirano ka loham-boriky iray aza dia lafo sekela valopolo, ary taim-boromailala ampahefatry ny kaba dia nosandaina sekela dimy. Ary raha nandalo teny ambonin’ny manda ny mpanjakan’ny Israely dia nisy vehivavy iray nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko ô! Hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen’NY TOMPO ianao, avy aiza no hamonjeko anao? Avy amin’ny famoloana va, sa avy amin’ny famiazam-boaloboka? Hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Namaly Ravehivavy hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso! Koa nahandroinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso dia hoy aho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika! Kanjo nafeniny ny zanany. Nony nandre ny tenin-dRavehivavy ny mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany. Ary nandalo teny ambonin’ny manda izy ka hitan’ny olona fa indro, lamba fisaonana no nataony manolo-koditra. Dia hoy izy: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’i Elisa, zanak’i Safata! Fa nipetraka tao an-tranony i Elisa, ary nipetraka teo akaikiny ny loholona. Ary ny mpanjaka dia nandefa iraka nialoha lalana azy. Raha tsy mbola tonga tany amin’i Elisa anefa iny iraka iny dia hoy izy tamin’ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Jereo, fa rehefa avy ny iraka dia arindrino ny varavarana ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aorianany koa va ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony? Raha mbola niresaka taminy izy dia indro, nidina nankao aminy ny iraka ka niteny hoe: Indro, izao loza izao dia avy amin’NY TOMPO! Koa inona intsony no anantenako NY TOMPO? Fa hoy kosa i Elisa: Henoy ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO: Rahampitso toy izao dia ho sekela iray ny vidin’ny koba tsara toto eran’ny sea, ary ho sekela iray koa ny vidin’ny varimbazaha indroan’ny sea eo am-bavahadin’i Samaria. Niteny tamin’ny lehilahin’Andriamanitra anefa ilay mpanampy ny mpanjaka izay nitehenany mandrakariva, hoe: Indro, na dia hanao varavarankely eny amin’ny lanitra aza va NY TOMPO dia hisy izany zavatra izany? Dia hoy i Elisa: Indro, ho hitan’ny masonao tokoa izany nefa tsy mba hihinananao. Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan’ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto miandry izay hahafatesantsika? Raha hoy isika hoe: Andeha hiditra ao an-tanàna, mosary no ao an-tanàna ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin’ny tobin’ny Arameana; koa raha mamela antsika ho velona moa izy dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy dia ho faty ihany isika. Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin’ny tobin’ny Arameana; nony tonga teny an-tsisin’ny toby izy dia indro, tsy nisy olona akory tao. Fa NY TOMPO efa nahatonga ny miaramilan’ny Arameana handre fikodiadian’ny kalesy fitondra miady sy fandehan-tsoavaly, dia ny firodondrodon’ny miaramila maro; ary nifampiresaka izy ireo hoe: Injao, ny mpanjakan’ny Israely dia nanakarama ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Ejiptiana hiady amintsika. Koa niainga izy ireo ka riatra nandositra tamin’iny takariva iny ihany ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny tranolainy sy ny soavaliny ary ny borikiny ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy. Ary rehefa tonga teny an-tsisin’ny toby ireo boka ireo dia niditra tao amin’ny tranolay iray izy ka nihinana sy nisotro dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, avy eo dia nandeha ka nanafina izany. Ary nandeha indray izy ka niditra tao amin’ny tranolay hafa koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa. Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Tsy mety izao ataontsika izao. Ity andro ity dia andro filazana vaovao mahafaly, kanefa isika mangina; raha miandry mandra-paharain’ny andro isika dia tsy ho afa-mandositra ny sazy; fa andeha isika hampandre ny ao an-tranon’ny mpanjaka. Dia lasa ireo niantso ny mpiambina ny vavahadin’ny tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin’ny Arameana izahay ary indro, tsy misy olona ao na feon’olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny tranolay nilaozana fotsiny. Dia niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa dia nilaza izany tao an-tranon’ny mpanjaka. Ary nifoha ny mpanjaka raha mbola alina ka niteny tamin’ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon’ny Arameana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika ka niala tamin’ny toby izy mba hanao vela-pandrika any an-tsaha ka niteny hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna ireo dia hataontsika sambo-belona dia hidirantsika ny tanàna! Hoy anefa ny mpanompony iray: Mifona aminao aho, aoka hakana soavaly dimy amin’izay sisa ato an-tanàna. Indro, toy ny manjo ny hamaroan’ny Israely rehetra izay mitoetra ato ny hanjo azy ireo; eny, tahaka ny hamaroan’ny Israely rehetra izay efa lany ritra ny hahalany ritra azy ireo. Aoka alefantsika ireo dia ho hitantsika. Dia nalainy ny kalesy fitondra miady roa sy ny soavaly miaraka aminy; ary nandefa iraka hanenjika ny miaramilan’ny Arameana ny mpanjaka ka niteny hoe: Mandehana ka jereo! Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra dia feno fitafiana sy fitaovana izay narian’ny Arameana tamin’ny nandosirany tamin’ny fahatairany. Dia niverina ny iraka ka nilaza tamin’ny mpanjaka. Dia nivoaka ny tanàna ny olona ka namabo ny tobin’ny Arameana. Koa ny koba tsara toto eran’ny sea dia sekela iray monja no vidiny, ary ny varimbazaha indroan’ny sea dia sekela iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin’NY TOMPO. Ary ilay mpanampy ny mpanjaka izay nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany dia notendreny hiambina ny vavahady; voahitsakitsaka teo am-bavahady anefa izy ka maty araka izay nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra, dia ilay nolazainy raha nidina tany aminy ny mpanjaka. Dia tanteraka ny teny nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka hoe: Raha maraina toy izao eo am-bavahadin’i Samaria dia sekela iray monja no ho vidin’ny varimbazaha indroan’ny sea ary ho sekela iray ihany koa ny vidin’ny koba tsara toto eran’ny sea. Izany mpanampy ny mpanjaka izany no niteny tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely eny amin’ny lanitra aza va NY TOMPO dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy i Elisa tamin’izay: Indro, ho hitan’ny masonao tokoa izany nefa tsy mba hihinananao. Toy izany no nanjo azy, fa ny olona dia nanitsakitsaka azy teo am-bavahady ka maty izy. Ary i Elisa niteny tamin-dRavehivavy, renin’ilay zaza novelominy indray hoe: Miaingà ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’izay azonao ivahiniana; fa NY TOMPO efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ny tany. Dia niainga Ravehivavy ka nanatanteraka ny tenin’ilay lehilahin’Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin’ny tanin’ny Filistina. Nony afaka ny fito taona dia nody avy tany amin’ny tanin’ny Filistina Ravehivavy ary lasa nitaraina tamin’ny mpanjaka izy ny amin’ny tranony sy ny taniny. Ary ny mpanjaka dia niteny tamin’i Gehazy, zatovon’ny lehilahin’Andriamanitra hoe: Miangavy anao aho, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon’i Elisa. Raha mbola nilazalaza tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nameloman’i Elisa ny maty izy dia indro, ilay vehivavy, renin’ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ny mpanjaka ny amin’ny tranony sy ny taniny. Ary hoy i Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’i Elisa. Nony nanontanian’ny mpanjaka Ravehivavy dia nanamafy izany. Dia notendren’ny mpanjaka ny tandapa iray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin’ny andro nialany tamin’ny tany ka mandraka ankehitriny. Ary i Elisa dia tonga tany Damaskosy, ary tamin’izay dia narary i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’Andriamanitra. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hazaela: Mitondrà fanomezana miaraka aminao ka mandehana, tsenao ny lehilahin’Andriamanitra, ary anontanio azy izay tenin’NY TOMPO ka lazao hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’izao aretiko izao? Dia lasa i Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana zakan’ny rameva efapolo. Ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary niteny hoe: I Beny-Hadada zanakao, mpanjakan’i Arama, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’izao aretiko izao? Hoy i Elisa taminy: Mandehana ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao! Kanefa NY TOMPO naneho ahy fa tena ho faty izy. Ary nibanjina azy ela ny lehilahin’Andriamanitra, ary farany dia nitomany. Dia hoy i Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary hoy izy hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ny Zanak’Israely: Ny fiarovany mafy dia hodoranao, ny zatovony dia hovonoinao amin’ny sabatra, ny zanany madinika dia hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy dia hotatahanao ny kibony. Fa hoy i Hazaela: Zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa hoy i Elisa: Efa nasehon’NY TOMPO tamiko fa indro, ianao no ho mpanjakan’i Arama. Dia nisaraka tamin’i Elisa izy ka nankany amin’ny tompony; ary nanontany azy izy hoe: Ahoana no nolazain’i Elisa taminao? Dia namaly izy hoe: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao! Nony ampitso dia nalain’i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ny rano ary nasarony ny tavan’i Beny-Hadada ka maty ny mpanjaka; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jehorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda. Roa amby telopolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema. Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’ny Israely izy, dia tahaka ny nataon’ny taranak’i Ahaba, fa ny zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy. Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin’i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy, fa homeny jiro mandrakizay ho an’ny taranany izy. Tamin’ny androny no nikomian’i Edoma tsy hanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy; koa nankany Zaira i Jehorama ary noentiny niaraka taminy ny kalesy fitondrany miady rehetra; nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy mbamin’ny mpitondra kalesy; ary ny olona dia nandositra ho any an-dainy. Nefa ny Edomita dia mbola nikomy ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. I Libna koa dia nikomy tamin’izany andro izany. Ny tantaran’i Jehorama sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Jehorama dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida; ary i Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona faharoa amby folo nanjakan’i Jehorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda. Roa amby roapolo taona i Ahazia raha nanomboka nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Atalia, zanakavavin’i Omry, mpanjakan’ny Israely. Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Ahaba izy ka nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tahaka ny nataon’ny taranak’i Ahaba, fa vinanton’ny taranak’i Ahaba ihany izy. Niaraka tamin’i Jehorama zanak’i Ahaba izy mba hiady amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tany Ramota-Gileada; ary ny Arameana dia nahavoa an’i Jehorama. Dia niverina tany Jezirela i Jehorama mpanjaka mba hotsaboina tamin’ny feriny; izany dia tamin’ny nahavoazan’ny Arameana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jehorama zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’i Joda, satria narary izy. Ary niantso ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany i Elisa mpaminany ka niteny taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity ka mankanesa any Ramota-Gileada. Rehefa tonga any ianao dia izahao i Jeho, zanak’i Josafata, zanak’i Nimsy; midira, dia asaivo mitsangana hiala eo amin’ny namany izy ary ento any amin’ny efitrano anatiny; ary raiso ny tavoara feno diloilo ka aidino amin’ny lohany dia lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Manosotra anao ho mpanjakan’ny Israely Aho! Dia vohay ny varavarana ka mandosira fa aza mitaredretra. Nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovo mpaminany, nankany Ramota-Gileada. Nony tonga tany izy dia indreo, nipetraka teo ny komandin’ny miaramila. Hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho anao aho. Ary hoy i Jeho: Amin’iza aminay ireto moa? Hoy izy: Aminao, ry mpitarika ô. Dia nitsangana i Jeho ka niditra tao an-trano, dia naidin’ilay zatovo tamin’ny lohany ny diloilo, ary hoy izy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely oloko Aho. Hamely ny tamingan’i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’i Jezebela ny ran’ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’NY TOMPO rehetra. Eny, ho fongotra ny taranak’i Ahaba rehetra; haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin’ny tamingany, na ny voagadra na ny olona afaka eo amin’ny Israely; ary ny taranak’i Ahaba dia hataoko tahaka ny taranak’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tahaka ny taranak’i Basa, zanak’i Ahia; hohanin’ny alika ao amin’ny tany Jezirela i Jezebela ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra. Ary nandeha nankao amin’ireo mpanompon’ny tompony i Jeho ka nanontanian’ireo hoe: Raharaha tsara ihany va no nalehan’iny ilay adala iny tao aminao? Hoy izy tamin’ireo: Ianareo ihany dia efa mahalala an-dRalehilahy sy ny heviny. Fa hoy ireo: Lainga izany! Miangavy anao izahay, ambarao aminay! Dia hoy izy: Izao sy izao no nolazainy tamiko: Izao no lazain’NY TOMPO: Manosotra anao ho mpanjakan’ny Israely Aho! Dia samy nandray haingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’i Jeho eo amin’ny ambaratonga ambony amin’ny tohatra, ary nitsoka anjomara izy ka niantso hoe: I Jeho no mpanjaka! Ary i Jeho, zanak’i Josafata, zanak’i Nimsy dia nanao tetika hikomy tamin’i Jehorama. Tamin’izany anefa i Jehorama mbamin’ny Israely rehetra dia niaro an’i Ramota-Gileada tamin’ny fanafihan’i Hazaela, mpanjakan’i Arama; saingy i Jehorama mpanjaka kosa dia efa niverina tany Jezirela mba hotsaboina tamin’ny feriny, tamin’ny nahavoazan’ny Arameana azy, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Dia hoy i Jeho: Raha te ho velona koa ianareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna ka hoe handeha hilaza any Jezirela! Dia niakatra teo amin’ny kalesy fitondra miady i Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran’i Jehorama, ary i Ahazia, mpanjakan’ny Joda dia efa nidina hamangy an’i Jehorama. Ary nitsangana teo an-tampon’ny tilikambo fitiliana tao Jezirela ny mpitily ka nahatazana fa indrerỳ misy olona betsaka tamy niaraka tamin’i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Hoy i Jehorama: Makà mpitaingin-tsoavaly ka mandefasa iraka hitsena azy, ary asaivo miteny hoe: Fihavanana va? Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly iray hitsena azy ka hiteny taminy hoe: Izao no tenin’ny mpanjaka: Fihavanana va? Hoy i Jeho: Ahoanao inona izay fihavanana? Fa mankanesa ato aorianako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina. Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany i Jehorama, ary nony tonga teny koa io dia niteny hoe: Izao no tenin’ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy i Jeho hoe: Ahoanao izay fihavanana? Fa mankanesa ato aorianako ianao. Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny fa tsy niverina; ary ny firiotrany dia ohatra ny firiotran’i Jeho, zanak’i Nimsy; fa miriotra ohatra ny olona adala izy. Hoy i Jehorama: Ampiomany ny kalesy fitondra miady! Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia niainga i Jehorama, mpanjakan’ny Israely, sy i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, samy nitsangana teo amin’ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ny tanin’i Nabota jezirelita izy. Nony nahita an’i Jeho i Jehorama dia niteny hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa hoy izy taminy hoe: Aiza no hisy fihavanana raha mbola ao ihany ny fijangajangan’i Jezebela reninao sy ny sikidy betsaka ataony? Dia nampihodina ny kalesiny i Jehorama ka nandositra sady niteny tamin’i Ahazia hoe: Tena fitaka izao, ry Ahazia! Ary nohenjanin’i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tanany dia nitifitra an’i Jehorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan’ny sorony, ary ny zana-tsipìka dia niboroaka tamin’ny fony ka nianjera tao anatin’ny kalesiny izy. Dia hoy i Jeho tamin’i Bidikara lefiny: Batao izy ka atsipazo ao amin’ny sahan’i Nabota jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an’i Ahaba rainy dia nolazain’NY TOMPO fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe: Efa hitako tokoa omaly ny ran’i Nabota sy ny ran’ny zanany, hoy NY TOMPO, ary Izaho no hamaly anao eto amin’ity saha ity, hoy NY TOMPO! Koa batao izy ary atsipazo amin’io saha io araka ny tenin’NY TOMPO. Nony hitan’i Ahazia mpanjakan’ny Joda izany dia nandositra tamin’ny lalana mankany Bety-Gana izy. Nanenjika azy i Jeho ka niteny hoe: Indrỳ, asio koa iny. Dia nisy naharatra azy tao anatin’ny kalesiny teo amin’ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’Ibleama. Ary nandositra nankany Megido i Ahazia ka maty tao. Ary ny mpanompony dia nitondra azy tamin’ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida. Tamin’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Jehorama zanak’i Ahaba no nanomboka nanjaka tamin’ny tany Joda i Ahazia. Dia tonga tany Jezirela i Jeho. Nony nandre izany i Jezebela dia nohosorany loko mainty ny masony sady nohaingoiny ny volon-dohany dia nitsidika teo am-baravarankely izy. Nony niditra teo am-bavahady i Jeho dia hoy i Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo? Niandrandra nijery ny varavarankely i Jeho sady niteny hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika nijery azy. Dia hoy izy: Azerao io vehivavy io! Dia nazerany izy ka nisy nipitipitika tamin’ny rindrin-trano sy ny soavaly ny rany; ary nohitsakitsahin’i Jeho izy. Dia niditra tao an-trano i Jeho ka nihinana sy nisotro ary nilaza hoe: Mandehana, jereo ilay vehivavy voaozona iny ka aleveno, fa zanaka mpanjaka izy. Dia lasa ireo mba handevina azy, nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karandohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany. Dia niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy i Jeho: Araka ny tenin’NY TOMPO izany, dia ilay nampilazainy an’i Elia tisbita mpanompony hoe: Ao amin’ny tany Jezirela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela, ary ny fatiny dia ho toy ny zezika any an-tsaha, any amin’ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe i Jezebela ity. Ary nanana zanaka fitopolo lahy tany Samaria i Ahaba. Ary nanoratra taratasy maromaro i Jeho ka nampitondrainy ho any Samaria ho an’ny lehibe any Jezirela sy ny mpitaiza ny zanak’i Ahaba, nilaza hoe: Rehefa tonga any aminareo ity taratasy ity, satria eo aminareo ireo zanakalahin’ny tomponareo ary ao aminareo koa ny kalesy fitondra miady, ny soavaly, ny tanàna mimanda ary ny fiadiana, dia zahao izay tsara sy mendrika indrindra amin’ny zanakalahin’ny tomponareo ary apetraho amin’ny sezafiandrianan’ny rainy izy ka miadia ary ho an’ny mpianakavin’ny tomponareo! Dia raiki-tahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro, ny mpanjaka roa aza tsy nahajoro teo anatrehany, koa hataontsika ahoana no fahajoro? Ary ny lehiben’ny tandapa sy ny lehiben’ny tanàna ary ny loholona sy ireo mpitaiza dia nandefa iraka tany amin’i Jeho hilaza hoe: Mpanomponao izahay; koa izay rehetra ampanaovinao anay dia hataonay. Tsy hanangana mpanjaka izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy. Dia nanoratra taratasy taminy indray i Jeho nilaza hoe: Raha miandany amiko ary ianareo ka hankatò ny teniko dia tapaho ny lohan’ireo zanakalahin’ny tomponareo ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Tamin’io izy fitopolo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ireo lehiben’ny tanàna izay nahabe azy. Nony tonga tany amin’ireo ny taratasy dia naka ny zanakalahin’ny mpanjaka izy ireo ka namono azy fitopolo lahy ary nataony tao an-tsobika ny lohany dia nateriny tany amin’i Jeho tany Jezirela. Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa noentina ny lohan’ireo zanakalahin’ny mpanjaka. Dia hoy i Jeho: Angony ho toko roa eo anoloan’ny vavahady izany mandra-paharain’ny andro. Nony maraina dia nivoaka ny trano i Jeho ary nitsangana teo anatrehan’ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Marina ianareo! Fa indro, izaho no nanao tetika fikomiana tamin’ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto? Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’NY TOMPO izay nolazainy ny amin’ny taranak’i Ahaba; fa NY TOMPO efa nanatanteraka izay nampilazainy an’i Elia mpanompony. Koa novonoin’i Jeho izay sisa rehetra tamin’ny taranak’i Ahaba tao Jezirela sy ny olo-manankaja rehetra tao aminy mbamin’izay nifandray taminy ary koa ny mpisorony, koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. Dia niainga izy ka nankany Samaria. Teny an-dalana, tany Bety-Ekedan’ny Mpiandry ondry izy no nifanena tamin’ny rahalahin’i Ahazia, mpanjakan’ny Joda ka niteny hoe: Iza ange ianareo? Dia hoy ireo hoe: Rahalahin’i Ahazia izahay ary midina atỳ mba hamangy ny zanakalahin’ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ny andriambavy. Hoy i Jeho: Sambory velona ireo! Dia nosamboriny ka novonoina teo akaikin’ny lavaka famorian-drano tao Bety-Ekeda izy roa amby efapolo lahy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Rehefa niala teo i Jeho dia nahita an’i Jonadaba, zanakalahin’i Rekaba, avy manatona azy. Niarahaba azy izy ary niteny taminy hoe: Mahitsy tahaka ny foko amin’ny fonao va ny fonao? Namaly i Jonadaba hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy i Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tanany ka nampiakarin’i Jeho ho eo aminy tao anatin’ny kalesy fitondra miady izy. Ary hoy i Jeho: Andeha hiaraka amiko ka ho hitanao ny zotom-poko ho an’NY TOMPO. Dia noentiny niaraka taminy tamin’ny kalesy izy. Rehefa tonga tany Samaria i Jeho dia namono izay sisa rehetra tamin’ny tamingan’i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’NY TOMPO nolazainy tamin’i Elia. Namory ny vahoaka rehetra indray i Jeho ka niteny taminy hoe: I Ahaba nanompo ny Baala kelikely ihany, fa i Jeho dia hanompo azy fatratra. Koa ankehitriny, vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ny Baala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ny Baala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga dia tsy hovelomina izy. Kanjo hevi-petsy nataon’i Jeho izany mba handringanany ny mpanompon’ny Baala. Ary hoy i Jeho: Manokàna fivoriana masina ho an’ny Baala. Dia niantso fivoriana ireo. Dia nandefa iraka tany amin’ny Israely rehetra i Jeho ka tonga ny mpanompon’ny Baala rehetra; tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala ireo ka feno hipoka ny trano. Dia hoy i Jeho tamin’ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon’ny Baala rehetra. Dia navoakany ny fitafiana hanaovany. Ary nankao amin’ny tempolin’ny Baala i Jeho sy i Jonadaba, zanak’i Rekaba, ka niteny tamin’ireo mpanompon’ny Baala hoe: Savao ary jereo tsara, fandrao misy mpanompon’NY TOMPO eo aminareo, fa tsy ny mpanompon’ny Baala ihany. Dia niditra izy rehetra hanolotra fanatitra samihafa alatsa-dra sy fanatitra dorana manontolo. I Jeho kosa dia efa nametraka valopolo lahy tao alatrano ka nitenenany hoe: Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eo an-tananareo, izay mamela azy handeha dia ny ainy no hisolo ny ainy. Rehefa vita ny fanolorany ny fanatitra dorana manontolo dia hoy i Jeho tamin’ny mpiambina sy ny mpanampy: Midira ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka! Dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ireo; ary ny mpiambina sy ny mpanampy dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ny tanàna nisy ny tempolin’ny Baala. Dia navoakany ny tsangambato izay tao amin’ny tempolin’ny Baala ka natsipiny tao anaty afo. Nopotehiny koa ny tsangambaton’ny Baala sy ny tempoliny ka nataony trano fivoahana mandraka androany izany. Toy izany no nandravan’i Jeho ny Baala tsy ho amin’ny Israely. Na izany aza i Jeho dia tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely, dia tamin’ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana. Koa hoy NY TOMPO tamin’i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ny nanaovanao izay mahitsy teo imasoko sady efa nataonao tamin’ny taranak’i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, dia hitoetra amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ny taranakao hatramin’ny zafindohalika. Nefa i Jeho dia tsy nitandrina mba handeha amin’ny lalan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tamin’ny fony manontolo; tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama izay nampanotany ny Israely izy. Tamin’izany andro izany NY TOMPO no nanomboka nampihena velarana ny Israely; fa i Hazaela dia namely azy tany amin’ny sisintanin’ny Israely rehetra, hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, dia i Gileada sy i Basana. Ny tantaran’i Jeho sisa mbamin’izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Jeho dia nalevina tao Samaria. I Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy. Ny andro nanjakan’i Jeho tamin’ny Israely tao Samaria dia valo amby roapolo taona. Nony hitan’i Atalia, renin’i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny taranaky ny mpanjaka rehetra. Fa i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, ary anabavin’i Ahazia, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy mbamin’ny mpitaiza azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, ary nitondra azy ho ao amin’ny efitrano toeram-pandriana. Nafenina an’i Atalia izy ka tsy mba voavono. Niery nandritra ny enina taona niaraka taminy tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy, fa i Atalia no nanjaka tamin’ny tany. Tamin’ny taona fahafito dia nandefa iraka haka ny mpifehy zato teo amin’ny Kariana sy ny mpiambina i Joiada ka nampiditra azy tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Nanao fanekena ho azy ireo izy dia nampianianiny tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary nasehony azy ny zanakalahin’ny mpanjaka. Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelonareo izay milatsaka amin’ny Sabata dia hiambina ny tranon’ny mpanjaka; ny ampahatelonareo dia ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony sisa dia ho ao am-bavahady, ao aorianan’ny mpiambina; hifandimby hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy. Ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin’ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon’NY TOMPO hiarovana ny mpanjaka. Hanemitra manodidina ny mpanjaka amim-piadiana ianareo, koa na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo, na aiza na aiza alehany. Nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ireo mpifehy zato ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata ary nankany amin’i Joiada mpisorona. Ary ny mpifehy zato dia nomen’ilay mpisorona ny lefona sy ampingan’i Davida mpanjaka izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary nitsangana ny mpiambina ka samy nitana ny fiadiany avy sady nanodidina ny mpanjaka hatreo amin’ny lafiny havana amin’ny Trano ka hatreo amin’ny lafiny havia, teo akaikin’ny alitara sy ny Trano. Dia noentin’i Joiada nivoaka ny Trano ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra ary notolorany ny Vavolombelona. Nampanjakainy sy nohosorany izy, ary nitehaka ny olona ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! Nony ren’i Atalia ny tabataban’ny mpiambina sy ny vahoaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy. Ary hitany fa indro nitsangana teo amin’ny lampihazo araka ny fomba fanao ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno trompetra; dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana! Fa nandidy ny mpifehy zato, lehiben’ny miaramila i Joiada mpisorona ka niteny taminy hoe: Avoahy eny ivelan’ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina ao amin’ny tranon’NY TOMPO izy! Ary nisambotra azy ny olona dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy. Ary i Joiada dia nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin’NY TOMPO mba ho olon’NY TOMPO izy ireo, ary nampifanaiky koa ny mpanjaka sy ny vahoaka. Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra teo aminy dia notorotoroiny tanteraka ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala. Ary nanendry ny olona ho mpitandrina ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona. Ary nalainy ny mpifehy zato sy ny Kariana ary ny mpiambina mbamin’ny vahoaka rehetra dia noentina nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ary avy teo am-bavahadin’ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ny sezafiandrianan’ny mpanjaka izy. Dia nifaly ny vahoaka rehetra ary nandry fehizay ny tanàna. Ary i Atalia moa dia novonoiny tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny mpanjaka. Fito taona i Joasy raha nanomboka nanjaka; tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Jeho mpanjakan’i Joda izy no nanombohany nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Zibia, avy any Bery-Sheba. Ary nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Joasy tamin’ny androny rehetra izay nanoloran’i Joiada mpisorona saina azy. Nefa kosa ny toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana, ary ny olona dia mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ny toerana fanaovana sorona ihany. Hoy i Joasy tamin’ny mpisorona: Ny vola momba ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny volan’ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ny hetra naloan’ny olona ary ny vola rehetra izay noentin’ny olona an-tsitrapo ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia aoka horaisin’ny mpisorona amin’ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin’ny Trano, na amin’inona na amin’inona no hitany misy simba. Kanjo hatramin’ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan’i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin’ny Trano. Koa niantso an’i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa i Joasy mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy manamboatra ny simba amin’ny Trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin’ny olom-pantatrareo intsony ianareo fa omeo hanamboarana ny simba amin’ny Trano ny vola. Ary nanaiky tsy handray vola amin’ny olona hanamboarana ny simba amin’ny Trano intsony ny mpisorona. Fa naka vata iray i Joiada mpisorona dia noloahany ny rakony ary napetrany teo anilan’ny alitara tamin’ny sisiny havanan’ny fidirana amin’ny tranon’NY TOMPO; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Nony hitany fa betsaka ny vola tao am-bata dia niakatra ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny Mpisoronabe ka nofonosiny ny vola izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sady nisainy. Ary ny vola voalanja dia natolotr’ireo ho eo an-tanan’ny mpiandraiki-draharaha, dia izay voatendry ny amin’ny tranon’NY TOMPO; ireo kosa dia namoaka azy ho amin’ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon’NY TOMPO. Nomeny ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika izany mba hamidy hazo sy vato voapaika, hanamboarana ny simba amin’ny tranon’NY TOMPO sy holanina amin’izay fanamboarana rehetra ilaina. Nefa tamin’ny volafotsy nampidirina tao dia tsy nisy nanaovana lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay mety ho fanaka volamena sy volafotsy ho amin’ny tranon’NY TOMPO, fa nomena ny mpiasa izany ka noentin’ireo nanamboarana ny tranon’NY TOMPO. Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa olona nahatoky ireo. Ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota kosa dia tsy mba nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, fa an’ny mpisorona izany. Tamin’izay dia niakatra i Hazaela, mpanjakan’i Arama ary namely an’i Gata ka nahazo azy. Dia nizotra niakatra hamely an’i Jerosalema koa izy. Ary i Joasy, mpanjakan’ny Joda dia naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda razany, dia i Josafata, i Jehorama ary i Ahazia, mbamin’ny zavatra nohamasinin’ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tao amin’ny efitrano fitahirizana, na ny tao amin’ny tranon’NY TOMPO, na ny tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama ireo ka lasa niverina i Hazaela fa tsy nankany Jerosalema. Ny tantaran’i Joasy sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Ary nitsangana ny mpanompon’i Joasy ka nanao tetika fikomiana dia namono azy tao Bety-Milo, izay teo am-pidinana mankany Sila. Fa i Jozakara, zanak’i Simata sy i Jozabada, zanak’i Somera, mpanompony dia namely azy ho faty. Dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Joasy, zanak’i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joahaza, zanak’i Jeho, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria, ary nanjaka fito amby folo taona izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy; nanaraka ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely izy fa tsy niala tamin’izany. Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nandritra ny andro dia natolony teo an-tanan’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, sy teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, izy. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Joahaza ka nohenoin’NY TOMPO, satria hitany ny fahorian’ny Israely, fa nampahory azy ny mpanjakan’i Arama. Ary NY TOMPO nanome mpamonjy ho amin’ny Israely ka afaka tamin’ny tanan’ny Arameana izy ary nonina tao an-dainy toy ny teo aloha ny Zanak’Israely. Kanefa tsy niala tamin’ny fahotan’ny taranak’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, izy fa nandeha tamin’izany ihany, ary na dia ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany. Tsy nisy sisa navelan’NY TOMPO ho an’i Joahaza afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy fitondra miady folo ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny; fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina. Ny tantaran’i Joahaza sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Joahaza dia nalevina tao Samaria ka i Joasy zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanjakan’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joasy, zanak’i Joahaza, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria; nanjaka enina amby folo taona izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotana rehetra izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely, fa nandeha tamin’izany ihany. Ny tantaran’i Joasy sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Joasy ka i Jeroboama no nipetraka tamin’ny sezafiandrianany. Ary i Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ny mpanjakan’ny Israely. Rehefa voan’ny aretina izay hahafaty azy i Elisa dia nidina nankany aminy i Joasy mpanjakan’ny Israely ka niondrika nitomany teo ambonin’ny tavany sady niteny hoe: Ry Ikaky ô! Ry Ikaky ô! E ny kalesy fitondra miady an’ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Hoy i Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka! Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Henjano ny tsipìka! Dia nohenjaniny izany. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny tanan’ny mpanjaka i Elisa ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana! Dia novohany izany. Hoy i Elisa: Alefaso! Dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan’ny famonjen’NY TOMPO, dia zana-tsipìkan’ny famonjena hahavoa ny Arameana! Fa hamely ny Arameana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy. Hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka! Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Kapohy ny tany! Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy. Ary tezitra taminy ny lehilahin’Andriamanitra ka niteny hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Arameana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Arameana. Dia maty i Elisa ka nalevina. Tamin’izany fotoana izany dia nananika ny tany isan-taona ny mpihantsy adin’ny Moabita. Ary nisy mpandevina nahita ireo mpihantsy ady ireo ka natsipiny tao am-pasan’i Elisa ny faty haleviny; nefa raha vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisa ny fatin-dRalehilahy dia velona izy ka nijoro tamin’ny tongony. Ary i Hazaela, mpanjakan’i Arama, dia nampahory ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Joahaza. Fa NY TOMPO namindra fo tamin’ny Israely sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; tsy ta handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny Izy. Ary maty i Hazaela, mpanjakan’i Arama, ka i Beny-Hadada zanany no nanjaka nandimby azy. Nalain’i Joasy, zanak’i Joahaza, teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, indray ireo tanàna izay efa nalain’i Hazaela teo an-tanan’i Joahaza, rain’i Joasy, tamin’ny ady. Intelo no nandresen’i Joasy azy ka azony indray ireo tanànan’ny Israely. Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Joasy, zanak’i Joahaza, mpanjakan’ny Israely, no nanombohan’i Amazia, zanak’i Joasy, nanjaka tamin’ny Joda. Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jehoadana, avy any Jerosalema. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida rainy, fa tahaka izay rehetra nataon’i Joasy rainy ihany no nataony. Kanefa ny toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ireo toerana fanaovana sorona ihany ny olona. Nony tafapetraka tsara teo an-tanany ny fanjakany dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy. Fa ny zanak’ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina noho ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy hovonoina noho ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina noho ny fahotany avy ny olona. Nahafaty Edomita iray alina tao amin’ny Lohasahantsira izy sady nahazo an’i Sela tamin’ny ady ka niantso ny anarany hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany. Tamin’izany i Amazia dia nandefa iraka tany amin’i Joasy, zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho, mpanjakan’ny Israely, hilaza aminy hoe: Avia, aoka isika hifanandrina! Fa nandefa iraka tany amin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda i Joasy, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Ny tsilo izay tany Libanona dia nandefa iraka tany amin’ny hazo sedera izay tany Libanona hilaza hoe: Omeo ny zanako lahy ny zanakao vavy ho vadiny! Nefa dia nisy bibidia tany Libanona nandalo teo ka nanosihosy ny tsilo. Efa namely an’i Edoma tokoa ianao ka nirehareha ny fonao. Aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany. Fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ny Joda koa ianao? Tsy nanaiky anefa i Amazia. Koa niakatra i Joasy, mpanjakan’ny Israely; ary izy sy i Amazia, mpanjakan’ny Joda dia nihaona tany Bety-Semesy izay any Joda. Dia resy teo anoloan’ny Israely ny Joda ka samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny olona. Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Ahazia dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy. Dia nankany Jerosalema i Joasy ary nandravany efajato hakiho ny mandany, hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo amin’ny zorony. Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra mbamin’ny fanaka rehetra izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny olona natao takalon’aina, dia niverina ho any Samaria izy. Ny tantaran’i Joasy sisa mbamin’ny heriny sy ny niadiany tamin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ny mpanjakan’ny Israely. Ary i Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy. Ny andro niainan’i Amazia, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, taorianan’ny nahafatesan’i Joasy, zanak’i Joahaza, mpanjakan’ny Israely, dia dimy amby folo taona. Ny tantaran’i Amazia sisa, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Nanao tetika fikomiana taminy tany Jerosalema ny olona ka nandositra nankany Lakisy izy; nefa nanaraka azy tany ny olona ka namono azy. Ary nasampy tamin’ny soavaly ny fatiny dia nalevina tany Jerosalema tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. Ary ny vahoaka rehetra tamin’ny Joda dia naka an’i Azaria, izay vao enina amby folo taona monja, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy. Izy no nanamboatra an’i Elota ka nampody azy ho an’ny Joda, rehefa nodimandry any amin’ny razany ny mpanjaka. Tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Amazia, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tany Samaria i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely. Nanjaka iraika amby efapolo taona izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotana rehetra izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely. Izy no nampody ny sisintanin’ny Israely ka azony hatrany akaikin’i Hamata ka hatrany amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, araka ny tenin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia i Jona, zanak’i Amitahy, mpaminany tany Gata-Hefera. Eny, hitan’NY TOMPO fa nangidy loatra ny fahorian’ny Israely. Tsy nisy niangana na voagadra na olona afaka, sady tsy nisy namonjy ny Israely akory. NY TOMPO anefa tsy nilaza fa hamono ny anaran’ny Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra. Fa ny tanan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, no noentiny namonjy azy. Ny tantaran’i Jeroboama sisa mbamin’izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an’i Damaskosy sy Hamata ho an’ny Israely, nefa an’i Joda ireo fahiny, tsy voasoratra ao amin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Jeroboama, dia tao amin’ireo mpanjakan’ny Israely. I Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Azaria, zanak’i Amazia, mpanjakan’ny Joda. Enina amby folo taona izy no nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Amazia rainy. Kanefa ny toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany ny olona. Nikapoka ny mpanjaka NY TOMPO ka boka mandra-pahafatiny izy ary nitoetra tao amin’ny trano mitokana izy. I Jotama, zanaky ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitondra ny vahoaka. Ny tantaran’i Azaria sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Azaria ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanjakan’i Zakaria, zanak’i Jeroboama, tamin’ny Israely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tahaka ny nataon’ny razany izy; tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely izy. Ary i Saloma, zanak’i Jabesy dia nanao tetika fikomiana taminy dia namely azy teo anatrehan’ny vahoaka ka nahafaty azy ary avy eo dia nanjaka nandimby azy. Ny tantaran’i Zakaria sisa, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany. Izany ilay tenin’NY TOMPO nolazainy tamin’i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ny zafindohalika dia hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely. Dia tanteraka izany. Ary i Saloma, zanak’i Jabesy, dia nanjaka tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda; nanjaka tany Samaria iray volana izy. Fa niakatra avy tany Tirza hankany Samaria i Menahema, zanak’i Gady, dia namely an’i Saloma, zanak’i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. Ny tantaran’i Saloma sisa mbamin’ny nikomiany, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany. Tamin’izay i Menahema dia namely an’i Tifsa sy izay rehetra tao mbamin’ny faritaniny nanomboka hatrany Tirza, satria tsy namoha vavahady azy i Tifsa ka nasiany, ary notatahany ny kibon’izay bevohoka rehetra tao. Tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely i Menahema, zanak’i Gady, ary folo taona no nanjakany tao Samaria. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy. Tamin’ny androny rehetra izy dia tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely. Ary i Pola, mpanjakan’i Asiria dia avy hananika ny tany; ary i Menahema dia nanome talenta volafotsy arivo an’i Pola, mba hanohana azy izy ka hampitoetra ny fanjakana eo an-tanany. Ary nampandoavin’i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ny Israely, dia sekela volafotsy dimampolo avy isan’olona, mba homeny ny mpanjakan’i Asiria. Dia lasa niverina ny mpanjakan’i Asiria fa tsy nijanona teo amin’ny tany. Ny tantaran’i Menahema sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany? Nodimandry any amin’ny razany i Menahema ka i Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahadimampolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Pekahia, zanak’i Menahema, ary roa taona no nanjakany. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely. Ary i Peka, zanak’i Remalia, lefiny, dia nanao tetika fikomiana taminy ka namely an’i Pekahia mbamin’i Argoba sy i Aria tao Samaria, tao amin’ny tilikambo-mandan’ny lapa; nisy olona dimampolo lahy avy any Gileada niaraka tamin’i Peka. Koa namono an’i Pekahia i Peka dia nanjaka nandimby azy. Ny tantaran’i Pekahia sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany. Tamin’ny taona faharoa amby dimampolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Peka, zanak’i Remalia, ary roapolo taona no nanjakany. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely. Tamin’ny andron’i Peka, mpanjakan’ny Israely, dia tonga i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nahazo an’Iona sy i Abela-Bety-Maka, i Janoa, i Kadesy, i Hazora, i Gileada ary i Galilia, dia ny tanin’ny Naftaly manontolo; izy no nandefa ny olona ho babo tany Asiria. Ary nanao tetika fikomiana tamin’i Peka, zanak’i Remalia, i Hosea, zanak’i Elaha, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jotama, zanak’i Ozia. Ny tantaran’i Peka sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany. Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Jotama, zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda. Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy; tahaka izay rehetra nataon’i Ozia rainy no nataony. Kanefa ireo toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ireo toerana fanaovana sorona ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO. Ny tantaran’i Jotama sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Tamin’izany andro izany NY TOMPO dia nanomboka naniraka an’i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia, hanafika an’i Joda. Ary nodimandry any amin’ny razany i Jotama ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy; i Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahafito amby folo nanjakan’i Peka, zanak’i Remalia, no nanomboka nanjaka i Ahaza, zanak’i Jotama, mpanjakan’ny Joda. Roapolo taona i Ahaza, raha nanomboka nanjaka, ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO Andriamaniny tahaka ny nataon’i Davida rainy izy fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely; eny, ny zanany lahy aza dia nampamakivakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely. Namono zavatra ho fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona sy teny amin’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra koa. Tamin’izany dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Israely. Nanao fahirano an’i Ahaza izy, nefa tsy afaka namaky ady. Tamin’izany andro izany i Rezina, mpanjakan’i Arama, dia nahazo an’i Elota ho isan’ny fanjakan’i Arama indray ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary nankany Elota ny Arameana ka monina ao mandraka androany. Ary i Ahaza dia nandefa iraka ho any amin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, hilaza hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara ka vonjeo aho tsy ho azon’ny mpanjakan’i Arama sy ny mpanjakan’ny Israely, izay mitsangana hiady amiko. Ary nalain’i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria. Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’i Asiria. Niakatra hamely an’i Damaskosy ny mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy; dia nalefany ho babo any Kira ny olona, fa i Rezina kosa dia novonoiny. Ary nandeha i Ahaza mpanjaka hitsena an’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, any Damaskosy. Nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’i Oria mpisorona. Ary nanao alitara i Oria mpisorona. Araka ny marika rehetra nampitondrain’i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’i Oria mpisorona azy mandra-piavin’i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy. Nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka dia nahita ny alitara, dia nanatona ny alitara ka niakatra teo. Ary nandoro ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanatiny avy amin’ny zavamaniry teo izy sady nampidina ny fanatiny aidina no namafy ny ran’ny fanati-pihavanany tamin’ny alitara. Ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’NY TOMPO, dia nafindrany hiala teo anoloan’ny trano, dia teo anelanelan’ny alitara vaovao sy ny tranon’NY TOMPO ka nataony teo avaratry ny alitarany. Ary i Ahaza mpanjaka dia nandidy an’i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ny alitara lehibe no handorana ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina; tahaka izany koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry amin’ny hariva ary ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay ho an’ny mpanjaka sy ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ary ny fanatitra aidina izay ho an’ny vahoaka rehetra; ary ny ra rehetra avy amin’ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra alatsa-dra hafa dia hafafinao eo amboniny; ary ny amin’ny alitara varahina dia izaho no hikarakara ny momba azy. Ary i Oria mpisorona dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Ahaza mpanjaka. Nopotehin’i Ahaza mpanjaka ireo takelaka teo amin’ny fitoeran’ny koveta ary nesoriny ny koveta izay teo amboniny. Ilay koveta lehibe dia nampidininy hiala tamin’ireo omby varahina izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato. Ny Fialofana tamin’ny Sabata, izay natao teo akaikin’ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO noho ny tahony ny mpanjakan’i Asiria. Ny tantaran’i Ahaza sisa, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Ahaza dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona faharoa amby folo nanjakan’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Hosea, zanak’i Elaha; nanjaka sivy taona izy. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon’ireo mpanjakan’ny Israely teo alohany. Niakatra hanafika azy i Salmanesera, mpanjakan’i Asiria, ka tonga mpanompony nandoa hetra ho azy i Hosea. Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nahita fa nanao tetika fikomiana i Hosea, satria nandefa iraka tany amin’i So, mpanjakan’i Ejipta, izy, sady tsy nampiakatra ny hetra ho an’ny mpanjakan’i Asiria tahaka ny fanaony isan-taona intsony. Koa nanidy azy sy namatotra azy tao an-tranomaizina ny mpanjakan’i Asiria. Avy eo dia niakatra izy ka nanenika ny tany; niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy nandritra ny telo taona. Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria, dia nalefany ho babo tany Asiria ny Israely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’i Habora na ny onin’i Gozana, ary teny amin’ny tanànan’ny Mediana. Ny nahatongavan’izany dia noho ny nanotan’ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanafaka azy tamin’ny tanan’ny farao, mpanjakan’i Ejipta, satria natahotra izay andriamanitra hafa izy. Nandeha araka ny fanaon’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely izy, sy araka izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely. Fa ny Zanak’Israely dia nanao zavatra miafina izay tsy tokony hatao, izay nanoherany NY TOMPO Andriamaniny. Nanorina toerana fanaovana sorona teny amin’ny tanànany rehetra izy, hatreny amin’ny tilikambo fitilian’ny mpiambina ka hatreny amin’ny tanàna mimanda. Nanangana tsangambaton-tsampy sy tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teny amin’ny vohitra avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra izy, ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona rehetra, tahaka ny nataon’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nahatezitra NY TOMPO, ary nanompo ny sampy izay nandraran’NY TOMPO azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo. Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’NY TOMPO nananatra ny Israely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo, ary tandremo ny lalànako sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho eo aminareo. Kanefa tsy nihaino izy fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany izay tsy nino NY TOMPO Andriamaniny. Nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teny vavolombelony izay nananarany azy. Nandeha nanaraka ny zava-poana izy ka tonga zava-poana koa ary nanaraka ny Jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’NY TOMPO mba tsy halainy tahaka. Nahafoy ny didin’NY TOMPO Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra voarendrika, dia ombilahy kely roa, ary nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ary nanompo ny Baala. Nampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo izy sady nanao ody sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ka nahatezitra Azy. Dia tezitra indrindra tamin’ny Israely NY TOMPO ka noesoriny tsy ho eo imasony izy ary tsy nisy tavela afa-tsy ny fokon’i Joda ihany. Na ny Joda koa aza dia tsy mba nitandrina ny didin’NY TOMPO Andriamaniny fa nandeha araka izay rehetra nataon’ny Israely koa. Dia narian’NY TOMPO ny taranak’Israely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tanan’ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony. Fa nendahany niala tamin’ny taranak’i Davida ny Israely; ary ny olona no nampanjaka an’i Jeroboama, zanak’i Nebata, nefa i Jeroboama dia nampiala ny Israely tsy hanaraka NY TOMPO ka nampanao fahotana be azy. Koa nandeha tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny Zanak’Israely fa tsy niala tamin’izany, hany ka noesorin’NY TOMPO tsy ho eo anatrehany ny Israely, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Dia lasan-ko babo niala tamin’ny taniny ho any Asiria ny Israely ary mbola any mandraka androany. Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nitondra olona avy tany Babilona, Kota, Ava, Hamata ary Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ny tanànan’i Samaria hisolo ny Zanak’Israely. Dia nandray an’i Samaria ho fananany ireny ka nitoetra teny amin’ny tanànany. Rehefa nanomboka nonina tao izy ireny dia tsy natahotra NY TOMPO, ary NY TOMPO kosa nampandeha liona hamely azy ka nahafaty maro taminy ireny. Dia hoy ny olona tamin’ny mpanjakan’i Asiria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin’ny tanànan’i Samaria dia tsy mahalala izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any, koa dia nampandeha liona hamely azy Izy; ary indro, nahafaty olona maro ireny noho ny tsy fahalalany ny fomba fanajana ny Andriamanitry ny tany. Ary nandidy azy ny mpanjakan’i Asiria hoe: Iraho ho any ny iray amin’ireo mpisorona izay noentinareo ho babo avy tany; aoka izy handeha ka hitoetra any, ary aoka izy hampianatra azy ireo izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any. Dia tonga ny mpisorona iray avy tamin’izay noentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela dia nampianatra azy izay fahatahorana NY TOMPO. Kanefa ny isam-pirenena dia mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona izay nataon’ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao andriamanitra tao amin’ny tanàna nitoerany avy. Koa ny olona avy any Babilona dia nanao an’i Sokota-Benota; ny olona avy any Kota dia nanao an’i Nergala; ny olona avy any Hamata nanao an’i Asima; ny Avita nanao an’i Nibaza sy i Tartaka; ny Sefarvita dia nandoro ny zanany tamin’ny afo ho an’i Adrameleka sy i Anameleka, andriamanitr’i Sefarvaima. Koa satria natahotra NY TOMPO koa ny olona dia nanendry olona avy tao anaty vahoaka ho mpisorona tamin’ireo toerana fanaovana sorona izy, ary ireny no nisolo ny vahoaka nanolotra fanatitra tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona. NY TOMPO dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon’ny firenena izay nanalana azy avy. Mandraka androany dia mbola manao ny fanaony teo ihany izy: Tsy dia matahotra NY TOMPO, ary tsy dia manao ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’NY TOMPO ny taranak’i Jakoba izay nantsoiny hoe Israely sady nanaovany fanekena sy nomeny didy hoe: Aza matahotra izay andriamanitra hafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na mamono zavatra ho fanatitra ho azy; fa NY TOMPO, izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta tamin’ny hery lehibe sy ny sandry natsotra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra ho fanatitra; fa ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; aza matahotra izay andriamanitra hafa; ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamanitra hafa ianareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo rehetra. Nefa tsy nety nihaino izy fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany. Koa natahotra NY TOMPO ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ny razany ihany no nataon’ireny mandraka androany. Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Hosea, zanak’i Elaha, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Hezekia, zanak’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda. Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka sivy amby roapolo taona tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Aby, zanakavavin’i Zakaria. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Davida rainy. Izy no nandrava ny toerana fanaovana sorona sy namakivaky ny tsangambaton-tsampy ary nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’i Mosesy; fa ny Zanak’Israely dia nandoro ditin-kazo manitra tamin’iny hatramin’izany andro izany ka ny anarany nataony hoe Nehostana. NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no nitokiany, koa tsy nisy tahaka azy tamin’ny mpanjakan’ny Joda rehetra, na ny teo aorianany, na ny teo alohany. Nifikitra tamin’NY TOMPO izy ka tsy mba niala tamin’ny fanarahana Azy ary nitandrina ny didy izay nomen’NY TOMPO izy ka tsy mba niala tamin’ny fanarahana Azy, ary nitandrina ny didy izay nomen’NY TOMPO an’i Mosesy. NY TOMPO nomba azy ka nambinina tamin’izay nalehany rehetra izy; nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asiria izy ka tsy nanompo azy. Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny faritaniny, ary noravany avokoa hatramin’ny tilikambo fitilian’ny mpiambina ka hatramin’ny tanàna mimanda. Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Hezekia mpanjaka, dia ny taona fahafito nanjakan’i Hosea, zanak’i Elaha, mpanjakan’ny Israely izany, no niakaran’i Salmanesera mpanjakan’i Asiria hamely an’i Samaria sy nanaovany fahirano azy. Nony tapitra ny telo taona dia azon’ireo ny tanàna. Tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan’i Hosea, mpanjakan’ny Israely, no nahazoany an’i Samaria. Ary nandefa ny Israely ho babo tany Asiria ny mpanjakan’i Asiria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’i Habora, onin’i Gozana, ary teny amin’ny tanànan’ny Mediana, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny izy fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO; eny, tsy nihaino na nankatò izany izy. Tamin’ny taona fahefatra amby folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahazo azy. Nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Asiria tany Lakisy i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, hilaza hoe: Nanao fahadisoana aho! Mialà amiko, fa izay hampitondrainao ahy dia hoentiko. Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nampandoa an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, talenta volafotsy telonjato sy talenta volamena telopolo. Ary i Hezekia dia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka. Tamin’izany andro izany no nanendahan’i Hezekia ny volamena tamin’ny varavaran’ny tempolin’NY TOMPO sy tamin’ny tolàna; izy, Hezekia, mpanjakan’ny Joda, no nametaka azy; ary nomeny ho an’ny mpanjakan’i Asiria izany. Ary ny mpanjakan’i Asiria dia naniraka an’i Tartana sy i Raba-Sarisa ary i Rabsake mbamin’ny miaramila betsaka avy tao Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema. Nony tonga teo izy dia nitsangana teo anilan’ny lakandrano amin’ny kamory ambony, teo an-dalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba. Nony niantso ny mpanjaka izy ireo dia nivoaka ho eo aminy i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana. Dia hoy i Rabsake tamin’ireo: Andeha lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianao? Teny foana ihany no nataonao hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao no mikomy amiko ianao? Fa indro, matoky io tehina volotara torotoro io ianao, dia i Ejipta, nefa raha itehenan’olona iny dia manindrona managorobaka ny tanany; tahaka izany ny farao, mpanjakan’i Ejipta, amin’izay rehetra matoky azy. Raha hoy ianareo amiko hoe: NY TOMPO Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny toerana fanaovana sorona mbamin’ny alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’i Joda sy i Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo? Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha toa ka manana olona hitaingina azy. Hataonao ahoana no fampiamboho ny mpitari-tafika iray amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’i Ejipta ianao hahazoanao kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly! Ary moa haitraitrako va izao niakarako izao? Tsia, fa NY TOMPO no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nilaza hoe: Miakara hamely ity tany ity ka ravao izy. Dia hoy i Eliakima, zanak’i Hilkia, sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao izahay, teny arameana no mba ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda. Nefa hoy i Rabsake taminy: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin’ny olona izay mipetraka eny ambonin’ny manda, hihinanany ny malotony sy hisotroany ny fivalanan-dranony miaraka aminareo? Dia nijoro teo i Rabsake ka niantso tamin’ny feo mahery tamin’ny teny jiosy hoe: Henoy ny tenin’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria! Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ny tanako izy tsy akory. Ary aza mety hotarihin’i Hezekia hatoky NY TOMPO ianareo amin’ny filazany hoe: NY TOMPO no tena hamonjy antsika ary tsy hatolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria tsy akory ity tanàna ity. Aza mihaino an’i Hezekia; fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fihavanana amiko ka mankanesa atỳ amiko dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo sady samy hisotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony avy, mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara, diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo fa tsy ho faty; ary aza mihaino an’i Hezekia, raha manoro vohony anareo izy amin’ny filazany hoe: NY TOMPO no hamonjy antsika! Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ny mpanjakan’i Asiria va ireo andriamanitry ny firenena? Aiza moa ireo andriamanitr’i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr’i Sefarvaima sy Henà ary Iva? Nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tanako va ireo andriamaniny? Iza moa amin’ny andriamanitra rehetra amin’ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, koa aiza no hahavonjen’NY TOMPO an’i Jerosalema amin’ny tanako? Dia gina ny olona ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraimbava akory aza, satria ny mpanjaka dia efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy. Ary i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’i Hezekia, amin’ny fitafiana voatriatra, ary nanambara taminy ny tenin’i Rabsake. Raha nandre izany i Hezekia mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary naniraka an’i Eliakima, lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary ny lehiben’ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana izy, hankany amin’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza. Hoy ireo taminy: Izao no lazain’i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baraka ity andro ity; fa efa eo am-piterahana ny zaza kanefa tsy misy hery hiterahana azy. Angamba ho ren’NY TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hihantsy an’Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’NY TOMPO Andriamanitrao. Koa akaro ny vavaka ataonao hamonjy izay mbola sisa. Dia nankany amin’Isaia ny mpanompon’i Hezekia mpanjaka. Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ny tomponareo hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza matahotra ny teny renao, dia izay nanompan’iretsy mpanompolahin’ny mpanjakan’i Asiria iretsy Ahy. Fa indro, Izaho hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin’ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy. Dia niverina i Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ny mpanjakan’i Asiria fahirano tamin’io, satria reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka. Ary i Sankeriba dia nandre filazana ny amin’i Tiraka, mpanjakan’i Kosy hoe: Indro, avy hiady aminao izy. Dia nandefa iraka indray ho any amin’i Hezekia izy ka hilaza hoe: Izao no holazainareo amin’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, amin’ny teny hoe: Jerosalema dia tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria. Indro, efa nandre izay nataon’ireo mpanjakan’i Asiria tamin’ny tany rehetra ianao, dia ny nanaovany azy ho zavatra voaozona; dia ianao va no ho voavonjy? Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako, dia i Gozana, i Harana, i Rezefa ary ny taranak’i Edena, izay tao Telasara? Aiza ny mpanjakan’i Hamata sy ny mpanjakan’i Arpada ary ny mpanjakan’ny tanàna Sefarvaima sy Henà ary Iva? Dia noraisin’i Hezekia tamin’ny tanan’ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao amin’ny tranon’NY TOMPO izy ka namelatra iny teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO i Hezekia hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, izay mipetraka amin’ny kerobima, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. Atongilano ny sofinao, TOMPO ô, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, TOMPO ô, ka mijere! Henoy ny tenin’i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’Andriamanitra velona. TOMPO ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’i Asiria dia efa nandrava ny Jentilisa sy ny taniny ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny fa asan’ny tanan’olona ihany, eny, hazo sy vato ka azony nosimbana. Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitray ô, mitaraina Aminao aho, vonjeo amin’ny tanany izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao dia Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra! Ary Isaia, zanak’i Amoza, nandefa iraka hankany amin’i Hezekia, hilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ilay fitarainana nataonao Tamiko ny amin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, dia efa nohenoiko. Koa izao no teny nolazain’NY TOMPO ny amin’i Sankeriba. Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao i Ziona, zanakavavy virijiny; mihifikifi-doha i Jerosalema zanakavavy mahita anao mandositra. Fa iza no nohantsianao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao? Nampiandrandra ny masonao any ambony ianao hanohitra ny Iray Masin’ny Israely! Tamin’ny alalan’ny irakao no nihantsianao ny Tompo hoe: Tamin’ny kalesiko fitondra miady maro no niakarako tany an-tampon’ny tendrombohitra, tao afovoan’i Libanona, dia nokapaiko ny sedera avo sy ny kipreso voafantina; dia niditra tany amin’ny fialofana farany ao aminy aho sy tany amin’ny alany midokadoka. Izaho no nihady ka nisotro ny ranon’ny firenen-kafa ary ny faladiako no handriatako ny lakandranon’i Neily rehetra any Ejipta. Tsy mbola renao va, hoy NY TOMPO, fa efa hatry ny ela no nanomanako izany, ary efa hatramin’ny andro taloha no namolavolako izao? Ankehitriny kosa dia efa manatanteraka izany Aho ka ny nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato no anjaranao. Tsy nahatohitra ny mponina tany; sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ny tampon-trano, eny, tahaka ny vary vao mitsiry dia maty. Fa samy fantatro avokoa na mipetraka ianao, na mivoaka hiady, na miverina avy niady; fantatro koa ny fihetsiketsehanao hanohitra Ahy. Satria mihetsiketsika manohitra Ahy ianao, ary efa tafakatra atỳ an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny faraingoko ny oronao ary hopetahiko ny lamboridiko ny molotrao, dia hampivereniko amin’ny lalana izay niavianao ianao. Izao kosa no famantarana ho anao: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana ianareo amin’ity taona ity, ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany, fa amin’ny taona fahatelo kosa, mamafaza ianareo ka mijinjà ary manaova tanim-boaloboka ka mihinàna izay vokatra avy amin’izany. Ary ny sisa izay afa-nandositra amin’ny taranak’i Joda dia mbola hamahatra lalindalina kokoa sady hisondrotra ka hamoa. Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hanao izany. Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy. Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, hoy NY TOMPO. Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko. Tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’NY TOMPO ka namely olona dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asiriana, koa nony maraina vao nifoha olona dia hita fa indreo, fatin’olona avokoa. Dia niainga i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive. Ary raha niankohoka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny izy dia nasian’i Adrameleka sy i Sarezera zanany lahy ny sabatra; afa-nandositra nankany amin’ny tany Ararata izy mirahalahy. I Esara-Hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy. Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia. Nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao fa tsy ho velona intsony. Dia nitodika nankany amin’ny rindrina izy ka nivavaka tamin’NY TOMPO hoe: TOMPO ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko manontolo ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao! Dia nitomany mafy dia mafy izy. Ary raha tsy mbola tafavoaka ny kianja afovoan’ny tanàna Isaia dia tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Miverena ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hanasitrana anao Aho ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ianao. Ary hampiako dimy amby folo taona ny andronao, sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko. Ary hoy Isaia: Makà mofo aviavy. Dia nalainy izany ka napetany tamin’ny vay dia sitrana izy. Hoy mantsy i Hezekia tamin’Isaia: Inona no famantarana fa hositranin’NY TOMPO aho ka hiakatra any amin’ny tranon’NY TOMPO raha afaka ampitso? Hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’NY TOMPO hahalalanao fa NY TOMPO hanatanteraka izay zavatra nolazainy: Handroso ambaratonga folo va ny aloka, sa hiverina ambaratonga folo? Ary namaly i Hezekia hoe: Mora foana ny handrosoan’ny aloka ambaratonga folo; koa tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina ambaratonga folo! Nitaraina tamin’NY TOMPO Isaia mpaminany, ary NY TOMPO nampihemotra ny aloka ambaratonga folo tamin’ilay nidinany teo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza; nihemotra ambaratonga folo izany. Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Berodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa reny hoe narary izy. Ary nandray ireo iraka i Hezekia ka naneho azy ny trano rehetra fitahirizany zava-tsoa, ny volafotsy, ny volamena, ny zavamanitra ary ny diloilo tsara, mbamin’ny trano fitahirizana ny fiadiany rehetra sy izay rehetra tao amin’ny trano fitahirizany: Tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany manontolo. Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Inona no nolazain’ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Hoy i Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babilona. Hoy izy: Koa inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy i Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia hitany avokoa; tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin’ny trano fitahirizako rehetra. Dia hoy Isaia tamin’i Hezekia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO: Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO. Ary na dia ny naterakao koa aza dia hisy hoentiny ka ho ionòka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babilona ireo. Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, tsy hisy fiadanana sy fandriampahalemana va amin’ny androko? Ny tantaran’i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin’ny nanaovany ny kamory sy ny lakandrano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Dia nodimandry any amin’ny razany i Hezekia ka i Manase zanany no nanjaka nandimby azy. Roa amby folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Hefziba. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka ny fahavetavetan’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely. Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ny Baala izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, tahaka izay nataon’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely; niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy ka nanompo ireny. Nanorina alitara maromaro tao amin’ny tranon’NY TOMPO koa izy, dia tao amin’izay nolazain’NY TOMPO hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako. Nanorina alitara tao anatin’ny kianja roa tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy. Ary ny zanany dia nampamakivakiny ny afo sady nanandro no nanao sikidy izy ary naka ny mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; eny, tsy nitsahatra nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy. Ny sarivongan’ny Aseraha izay nataony dia napetrany tao amin’ny trano nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida sy i Solomona zanany hoe: Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ny fokon’ny Israely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay. Tsy hampirenireny ny Israely any ivelan’ny tany izay nomeko ny razany intsony Aho raha mba hitandrina ka hanatanteraka izay rehetra nandidiako azy izy, araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko azy ihany. Nefa tsy nihaino izy; fa i Manase dia nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ny Jentilisa izay naringan’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely. Ary NY TOMPO nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe: Satria i Manase, mpanjakan’ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ny sampiny, dia izao kosa no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, hahatonga loza amin’i Jerosalema sy i Joda Aho, koa izay rehetra mandre izany dia hangintsina ny sofiny roa. Hohenjaniko ato Jerosalema ny kofehy fandrefesan’i Samaria sy ny fandrefesana marindranon’ny taranak’i Ahaba; ary hamaoka an’i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka azy no manohoka azy ambony ambany. Hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony; dia ho haza sy ho babon’ny fahavalony rehetra izy, satria efa nanao izay ratsy teo imasoko ka nahatezitra Ahy hatramin’ny andro nivoahan’ny razany avy tany Ejipta ka mandraka androany. Ary na dia ny ran’ny tsy manan-tsiny aza dia nalatsak’i Manase be dia be ka nandrakotra an’i Jerosalema manontolo, ho fanampin’ny ota izay nampanotany ny Joda tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’NY TOMPO. Ny tantaran’i Manase sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Manase dia nalevina tao an-tanimboly tao alatranony, ao amin’ny sahan’i Oza, ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy. Roa amby roapolo taona i Amona raha nanomboka nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Mesolemeta, zanakavavin’i Haroza, avy any Jotba. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO koa izy, tahaka ny nataon’i Manase rainy; nandeha tamin’ny lalana rehetra izay efa nalehan’ny rainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin’ny rainy sady niankohoka teo anatrehany. Nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin’ny lalan’NY TOMPO. Nanao tetika fikomiana taminy ny mpanompon’i Amona mpanjaka ka namono azy tao an-tranony. Ny vahoaka koa dia namono izay rehetra nanao tetika fikomiana tamin’i Amona mpanjaka dia nampanjaka an’i Josia zanany hisolo azy. Ny tantaran’i Amona sisa, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Nalevina tao amin’ny fasany tao amin’ny sahan’i Oza izy ka i Josia zanany no nanjaka nandimby azy. Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jedida, zanakavavin’i Adaia, avy any Bozkata. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy ka nandeha tamin’izay rehetra nalehan’i Davida rainy fa tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia. Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakany dia naniraka an’i Safana mpitantsoratra, zanak’i Azalia, zanak’i Mesolama, ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Josia mpanjaka hilaza hoe: Miakara any amin’i Hilkia mpisoronabe ka asaivo manisa ny vola izay nampidirina ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO izy, dia izay nangonin’ny mpiandry varavarana tamin’ny olona. Aoka hatolony ho eo an-tanan’ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin’ny tranon’NY TOMPO izany ka homen’ireo ho an’ny mpiasa izay ao amin’ny tranon’NY TOMPO hanamboarany ny simba amin’ny Trano, dia ho an’ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny tambato ka hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny Trano. Kanefa tsy nampamoahina ny amin’ny vola natolotra teo an-tanany ireo fa olona nahatoky. Dia hoy i Hilkia mpisoronabe tamin’i Safana mpitantsoratra: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ilay boky ka novakiny. Ary niverina ho any amin’ny mpanjaka i Safana mpitantsoratra, nitondra valiny hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao amin’ny Trano ka nanolotra azy teo an-tanan’ny mpanao raharaha izay voatendry ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary i Safana mpitantsoratra dia nilaza koa tamin’ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen’i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka ny boky. Rehefa ren’ny mpanjaka ny teny tao amin’ilay bokin’ny lalàna dia nandriatra ny fitafiany izy. Dia nandidy an’i Hilkia mpisorona sy i Ahikama zanak’i Safana, i Akbora zanak’i Mikaia, i Safana mpitantsoratra ary i Asaia, mpanompon’ny mpanjaka izy hoe: Andeha manontany amin’NY TOMPO ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ny Joda rehetra ny amin’ny tenin’ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’NY TOMPO izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity ka tsy nanatanterahany izay rehetra voasoratra ho antsika. Dia nandeha i Hilkia mpisorona, i Ahikama, i Akbora, i Safana ary i Asaia ka nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tikva, zanak’i Harasa, mpitahiry ny fitafiana, ary niresaka taminy izy ireo; fa nonina tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy. Hoy Ravehivavy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Lazao amin’ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy amin’ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain’ny boky novakin’ny mpanjakan’ny Joda. Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin’izay andriamanitra hafa ka nampahatezitra Ahy tamin’izay rehetra nataon’ny tanany, dia mirehitra amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy ho maty vonoina. Fa ny amin’ny mpanjakan’ny Joda kosa, izay naniraka anareo hanontany amin’NY TOMPO, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny amin’ny teny izay novakinao, satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’NY TOMPO raha nandre izay nolazaiko ny amin’izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto, dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, Izaho kosa efa nihaino, hoy NY TOMPO. Koa indro, hangoniko any amin’ny razanao ianao ary hangonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana; koa ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra hoentiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin’ny mpanjaka izy ireo. Ary ny mpanjaka dia nandefa iraka hamory ny loholon’i Joda sy Jerosalema rehetra any aminy. Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka sy ny lehilahin’i Joda rehetra ary ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary nijoro teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka ka nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO fa hanaraka Azy sy hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hanatanteraka ny tenin’ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’izany boky izany. Ary nankatò ny fanekena koa ny vahoaka rehetra. Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka azy ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ny Baala sy i Aseraha ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra hiala amin’ny tempolin’NY TOMPO ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema teny amin’ny saha amoron’i Kidrona ireny ary noentiny ho any Betela ny vovony. Natsahany koa ny mpisorona tamin’ny andriamanitra tsy izy izay notendren’ny mpanjakan’ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ireny toerana fanaovana sorona tany amin’ny tanànan’i Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ny Baala sy ny masoandro ary ny volana sy ny antokon’ny kintana eny amin’ny habakabaka mbamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra. Ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha dia navoakany hiala tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho any ivelan’i Jerosalema, ao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona; nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary nafafiny teny ambonin’ny fasam-bahoaka ny vovony. Narodany koa ny tranon’ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, izay natao tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ireo trano nanenoman’ny vehivavy lay ho an’ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha. Nampiantso ny mpisorona rehetra avy tamin’ny tanànan’i Joda izy dia nolotoiny ny toerana fanaovana sorona izay nandoroan’ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Bery-Sheba, ary noravany ny toerana fanaovana sorona tao akaikin’ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ny vavahadin’i Josoa, lehiben’ny tanàna, sy ilay teo ankavia raha miditra amin’ny vavahadin’ny tanàna. Fa ny mpisorona tamin’ny toerana fanaovana sorona dia tsy navela hanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin’ny rahalahiny ihany izy. Nolotoiny koa i Tofeta izay eo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamakivaky ny afo ho an’i Moloka intsony. Ary ny soavaly izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro ka nataony teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo akaikin’ny efitranon’i Natana-Meleka tandapa, izay tao amin’ireo trano madinika tao an-kianjan’ny tempoly, dia noesoriny; ny kalesin’ny masoandro koa dia nodorany tamin’ny afo. Ary ireo alitara teo amin’ny efitrano ambony, teo an- tampon-trano tamin’ny tranon’i Ahaza, izay nataon’ireo mpanjakan’ny Joda, sy ny alitara izay nataon’i Manase tao anatin’ny kianja roa tamin’ny tranon’NY TOMPO, dia noravan’ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony. Nolotoin’ny mpanjaka ireo toerana fanaovana sorona izay teo anoloan’i Jerosalema, teo amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo naorin’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, ho an’i Astarta, fahavetavetan’ny Sidoniana, sy ho an’i Kemosy, fahavetavetan’i Moaba, ary ho an’i Milkoma, fahavetavetan’ny taranak’i Amona. Dia notorotoroiny ireo tsangambaton-tsampy sady nokapainy koa ireo tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha ka nofenoiny taolan’olona ny toerana nisy azy. Ny alitara izay tao Betela sy ny toerana fanaovana sorona izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ilay nampanota ny Israely, dia noravany koa; nodorany ny toerana fanaovana sorona ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha. Ary nitodika i Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia nandefa olona haka ny taolana tao am-pasana izy ary nodorany teo ambonin’ny alitara ireny mba handotoany azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay notorin’ilay lehilahin’Andriamanitra. Dia hoy izy: Tsangambaton’iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanàna taminy: Fasan’ny lehilahin’Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin’ny alitara eto Betela izao. Hoy i Josia: Aoka itsỳ! Aza misy manetsika ny taolany! Dia tsy voakasika ny taolany sy ny taolan’ilay mpaminany avy tany Samaria. Ny trano rehetra tamin’ireo toerana fanaovana sorona, izay teny amin’ny tanànan’i Samaria, izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan’i Josia koa ka nataony araka izay rehetra nataony tany Betela. Novonoiny teo ambonin’ny alitara koa ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona tamin’ny toerana fanaovana sorona; ary nandoro taolan’olona teo izy vao niverina nankany Jerosalema. Ary nandidy ny vahoaka rehetra ny mpanjaka hoe: Tandremo ny Paskan’ny NY TOMPO Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ato amin’ity bokin’ny fanekena ity. Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin’ny andron’ny mpitsara izay nitsara ny Israely, na tamin’ny andro rehetra nanjakan’ny mpanjakan’ny Israely sy ny mpanjakan’ny Joda; fa tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an’NY TOMPO tany Jerosalema. Nesorin’i Josia koa ny mpiantso ny fanahin’ny maty, ny mpanandro, ny terafima, ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ny tany Joda sy tany Jerosalema, mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Hilkia mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’NY TOMPO tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ary ny heriny manontolo araka ny lalànan’i Mosesy rehetra, sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aorianany. Nefa NY TOMPO tsy nitsahatra tamin’ny firehetan’ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ny Joda noho ny zavatra rehetra izay nataon’i Manase ka nahatezitra Azy. Dia hoy NY TOMPO: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Israely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako. Ny tantaran’i Josia sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Tamin’ny andro nanjakan’i Josia no niakaran’ny farao Neko, mpanjakan’i Ejipta, hankany amoron’ny ony Eofrata hiady amin’ny mpanjakan’i Asiria. Ary nandeha hiady tamin’ny farao i Josia mpanjaka. Kanjo nony tojo azy dia matiny tao Megido izy. Napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy fitondra miady ny fatiny ka noentiny niala tao Megido ho any Jerosalema dia naleviny tao amin’ny fasany. Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza, zanak’i Josia, ka nohosorany sy nampanjakainy handimby ny rainy. Telo amby roapolo taona i Joahaza raha nanomboka nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia, avy any Libna. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’ny razany. Nafatotry ny farao Neko tao Ribla any amin’ny tany Hamata izy mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana. Ary ny farao Neko dia nanendry an’i Eliakima, zanak’i Josia, ho mpanjaka hisolo an’i Josia rainy ka ny anarany dia novany hoe Joiakima, fa i Joahaza kosa dia noentiny ho any Ejipta ka maty tany. Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’i Joiakima ny farao; mba hanomezana ny vola dia voatery notombanany ny tany araka ny didin’ny farao; notereny ny vahoaka rehetra handoa ny vola araka ny tombany avy mba homeny ny farao Neko. Dimy amby roapolo taona i Joiakima raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika amby folo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran’ny reniny dia Zebida, zanakavavin’i Pedaia, avy any Romaha. Nanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay nataon’ny razany. Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima no niakaran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona. Nanoa azy nandritra ny telo taona i Joiakima; nivadika anefa izy ka nikomy taminy. Ary NY TOMPO nandefa ny miaramilan’ny Kaldeana, ny miaramilan’ny Arameana, ny miaramilan’i Moaba ary ny miaramilan’ny taranak’i Amona hiady aminy; nampandehaniny hiady amin’i Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony. Araka ny tenin’NY TOMPO ihany no nahatongavan’izany tamin’i Joda ka nanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase, noho izay rehetra nataony sy noho ny ran’ny tsy manan-tsiny izay nalatsany koa; fa nofenoiny ran’ny tsy manan-tsiny i Jerosalema. Izany no tsy netezan’NY TOMPO hamela ny helony. Ny tantaran’i Joiakima sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Ary nodimandry any amin’ny razany i Joiakima ka i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tsy nivoaka avy tany amin’ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta; fa lasan’ny mpanjakan’i Babilona izay rehetra an’ny mpanjakan’i Ejipta, hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata. Valo amby folo taona i Joiakina raha nanomboka nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Nehosta, zanakavavin’i Elnatana avy any Jerosalema. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’ny rainy. Tamin’izany andro izany no niakaran’ny mpanompon’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely an’i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna. Dia tonga koa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony. Dia nandeha nankany amin’ny mpanjakan’i Babilona i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia izy sy ny reniny, ny mpanompony, ny mpanapaka ary ny tandapany. Noentin’ny mpanjakan’i Babilona izy tamin’ny taona fahavalo nanjakany. Ary navoakan’i Nebokadnezara ny harena rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, tao amin’ny tempolin’NY TOMPO, araka izay nolazain’NY TOMPO. Noentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny manamboninahitra rehetra ary ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina mbamin’ny mpahay taozavatra rehetra sy ny mpanefy, tsy nisy izay navelany afa-tsy ny madinika teo amin’ny tany. Nitondra an’i Joiakina koa ho babo any Babilona izy; ary ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka, ny tandapa ary ny lehilahy mahery amin’ny tany dia noentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babilona. Ny lehilahy mahery rehetra, fito arivo, mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia noentin’ny mpanjakan’i Babilona ho babo tany Babilona avokoa. Ary i Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanjaka hisolo an’i Joiakina ka novany hoe Zedekia ny anarany. Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia, avy any Libna. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Joiakima. Fa ny fahatezeran’NY TOMPO no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroahany azy tsy ho eo anatrehany. Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babilona i Zedekia. Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nitoby tandrifiny; ary nanangana tovon-tany manodidina azy izy. Nataony fahirano hatramin’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia mpanjaka ny tanàna. Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina intsony ho an’ny vahoaka. Ary nisy voabanga ny tanàna ka nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ny lalana nankany amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana dia nanodidina ny tanàna. Ary nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana ny mpanjaka. Nanenjika ny mpanjaka anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra azy teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; dia niparitaka nandao azy ny miaramilany rehetra. Voasambotra ny mpanjaka ka noentina niakatra ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla ary notsaraina tao. Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoiny teo imason’ny rainy, ny mason’i Zedekia kosa nopotsiriny ary nafatony tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona. Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahasivy amby folo nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, mpanompon’ny mpanjakan’i Babilona, ka nandoro ny tranon’NY TOMPO sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tany Jerosalema. Ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ny afo avokoa. Ary ny manda manodidina an’i Jerosalema dia noravan’ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay nanaraka ny lehiben’ny mpiambina. Izay olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’i Babilona ary ny vahoaka betsaka sisa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo avokoa. Fa ny olona madinika kosa dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany. Ireo andry varahina tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoeran’ny koveta ary ny koveta varahina lehibe izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia notorotoroin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina. Noentiny koa ny vilany fandraofan-davenona, ny sotron’afo, ny antsy, ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay noentina nanaovana ny fanompoam-pivavahana. Noentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana; na ny volamena na ny volafotsy dia samy noentin’ny lehiben’ny mpiambina avokoa. Ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ireo fitoeran’ny koveta izay nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO, ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita pesipesenina ny lanjany. Valo amby folo hakiho ny haavon’ny andry iray, ary varahina ny lohany sady telo hakiho ny haavony; varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin’ny lohany manodidina; tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin’ny harato. Ary ny lehiben’ny mpiambina dia nisambotra an’i Seraia mpisoronabe sy i Zefania, mpisorona manarakaraka azy, ny mpiandry varavarana telo lahy; tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila dimy lahy tamin’izay mpitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpitantsoratry ny mpitarika ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy enimpolo lahy avy amin’ny vahoaka, izay hitany tao an-tanàna; nosamborin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ireo ka noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla. Dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla any amin’ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny. Fa ny amin’ny olona izay sisa tany amin’ny tanin’ny Joda, izay navelan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy. Nony ren’ny mpitari-tafika rehetra mbamin’ny olom-peheziny avy fa i Gedalia no notendren’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho mpanapaka, dia nandeha nankany amin’i Gedalia tany Mizpa izy ireo, dia: Ismaela, zanak’i Netania, i Johanana, zanak’i Karea, i Seraia, zanak’i Tanometa netofatita, ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy. Ary nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalia hoe: Aza matahotra ny amin’ny mpanompon’ny Kaldeana, fa mitomoera amin’ny tany, ary manompoa ny mpanjakan’i Babilona, fa izany no hahasoa anareo. Tamin’ny volana fahafito anefa dia avy Ismaela, zanak’i Netania, zanak’i Elisama, isan’ny fianakavian’ny mpanjaka, mbamin’ny olona folo lahy ka namely an’i Gedalia ary nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa. Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin’ny mpitarika ny miaramila, nankany Ejipta, satria natahotra ny Kaldeana. Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa amby folo tamin’ny taona fahafito amby telopolo taorianan’ny namaboana an’i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia nasandratr’i Evila-Merodaka hiala tao an-tranomaizina i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona voalohany nanjakany. Dia nitenenany soa izy ka ny sezafiandrianany dia nataony ambony noho ny sezafiandrianan’ireo mpanjaka namany tao Babilona. Nasainy novana ny fitafiana naha mpifatotra azy dia nisakafo teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ny andro rehetra niainany. Ny anjara sakafony dia niantohan’ny mpanjaka, tsy tapaka, isanandro isanandro tamin’ny andro rehetra niainany. I Adama, i Seta, i Enosy, i Kenana, i Mahalalila, i Jereda, i Enoka, i Metosela, i Lameka, i Noa, i Sema, i Hama ary i Jafeta. Ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gomera, i Magoga, i Maday, i Javana, i Tobala, i Maseka ary i Tirasa. Ny zanakalahin’i Gomera dia i Askenaza sy i Rifata ary i Togarma. Ny zanakalahin’i Javana dia i Elisaha, i Tarsisy, i Kitima ary i Rodanima. Ny zanakalahin’i Hama dia i Kosy, i Mizraima, i Pota ary i Kanana. Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba, i Havila, i Sabta, i Ragama ary i Sabteka. Ny zanakalahin’i Ragama dia i Seba sy i Dedana. I Kosy niteraka an’i Nimroda; izy no olo-mahery voalohany teto ambonin’ny tany. I Mizraima no niteraka ny Lodita, ny Anamita, ny Lehabita, ny Naftohita, ny Patrosita, ny Kaslohita izay niavian’ny Filistina ary ny Kaftorita. I Kanana no niteraka an’i Sidona lahimatoany, i Heta, ny Jebosita, ny Amorita, ny Girgasita, ny Hivita, ny Arkita, ny Sinita, ny Arvadita, ny Zemarita ary ny Hamatita. Ny zanakalahin’i Sema dia i Elama, i Asira, i Arpaksada, i Loda, i Arama, i Oza, i Hola, i Getera ary i Maseka. I Arpaksada no niteraka an’i Sela; i Sela no niteraka an’i Ebera. Niteraka roa lahy i Ebera: Ny anaran’ny iray dia Pelega, satria tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ny rahalahiny. I Joktana no niteraka an’i Almodada, i Selefa, i Hazarmaveta, i Jera, i Hadorama, i Ozala, i Dikla, i Ebala, i Abimaela, i Sheba, i Ofira, i Havila ary i Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana. I Sema, i Arpaksada, i Sela, i Ebera, i Pelega, i Reo, i Seroga, i Nahora, i Tera, i Abrama izay antsoina koa hoe i Abrahama. Ny zanakalahin’i Abrahama dia Isaka sy Ismaela. Izao no taranak’izy ireo: I Nebaiota, lahimatoan’Ismaela, i Kedara, i Abdela, i Mibsama, i Misma, i Doma, i Masa, i Hadada, i Tema, i Jetora, i Nafisy ary i Kedma. Ireo no zanakalahin’Ismaela. Ny zanakalahin’i Ketora, vady tsindranon’i Abrahama: Izy no niteraka an’i Zimrama, i Joksana, i Medana, i Midiana, i Jisbaka ary i Soaha. Ny zanakalahin’i Joksana dia i Sheba sy i Dedana. Ny zanakalahin’i Midiana dia i Efaha, i Efera, i Hanoka, i Abida ary i Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Ketora. I Abrahama no niteraka an’Isaka. Ny zanakalahin’i Isaka dia i Esao sy Israely. Ny zanakalahin’i Esao dia i Elifaza, i Regoela, i Jeosy, i Jalama ary i Kora. Ny zanakalahin’i Elifaza dia i Temana, i Omara, i Zefo, i Gatama, i Kenaza, i Timna ary i Amaleka. Ny zanakalahin’i Regoela dia i Nahata, i Zera, i Sama ary i Miza. Ny zanakalahin’i Seìra dia i Lotana, i Sobala, i Zibona, i Ana, i Disona, i Ezera ary i Disana. Ny zanakalahin’i Lotana dia i Hory sy i Homama. Ny anabavin’i Lotana dia i Timna. Ny zanakalahin’i Sobala dia i Aliana, i Manahata, i Ebala, i Sefy ary i Onama. Ny zanakalahin’i Zibona dia i Aia sy i Ana. Ny zanakalahin’i Ana dia i Disona. Ny zanakalahin’i Disona dia i Hamrana, i Esbana, i Jitirana ary i Kerana. Ny zanakalahin’i Ezera dia i Bilana sy i Zavana ary i Jakana. Ny zanakalahin’i Disana dia i Oza sy i Arana. Izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ny Zanak’Israely: I Bela, zanak’i Beora; Dinaba no anaran’ny tanànany. Maty i Bela; nanjaka nandimby azy i Jobaba, zanak’i Zera, avy any Bozra. Maty i Jobaba; nanjaka nandimby azy i Hosama, avy any amin’ny tanin’ny Temanita. Maty i Hosama; nanjaka nandimby azy i Hadada, zanak’i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany. Maty i Hadada; nanjaka nandimby azy i Samla avy any Masreka. Maty i Samla; nanjaka nandimby azy i Saoly avy any Rehobota eo amoron’ny ony. Maty i Saoly; nanjaka nandimby azy i Baala-Hanana, zanak’i Akbora. Maty i Baala-Hanana; nanjaka nandimby azy i Hadada; Pao no anaran’ny tanànany; ary ny anaran’ny vadiny dia i Mehetabela, zanakavavin’i Matreda, zanakavavin’i Me-Zahaba. Maty koa i Hadada. Ireo loham-pirenen’i Edoma dia i Timna loham-pireneny, i Alva loham-pireneny, i Jeteta loham-pireneny, i Oholibama loham-pireneny, i Elaha loham-pireneny, i Pinona loham-pireneny, i Kenaza loham-pireneny, i Temana loham-pireneny, i Mibzara loham-pireneny, i Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenenen’i Edoma. Ireto no zanakalahin’Israely: I Robena, i Simeona, i Levy, i Joda, Isakara, i Zebolona, i Dana, i Josefa, i Benjamina, i Naftaly, i Gada ary i Asera. Ny zanakalahin’i Joda dia i Era sy i Onana ary i Sela; ireo telo ireo no naterak’i Baty-Soa kananita taminy. Ratsy fanahy teo imason’NY TOMPO i Era, lahimatoan’i Joda, ka nahafaty azy NY TOMPO. I Tamara vinantovaviny no niteraka an’i Fareza sy i Zera taminy. Dimy no zanakalahin’i Joda rehetra. Ny zanakalahin’i Fareza dia i Hezrona sy i Hamola. Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimry, i Etana, i Hemana, i Kalkola ary i Dara; dimy lahy no isany. Ny zanakalahin’i Karmy dia i Akara, izay nampidi-doza ny Israely tamin’ny nandikany ny didy ny amin’ny zavatra voaozona. Ny zanakalahin’i Etana dia i Azaria. Ny zanakalahin’i Hezrona izay naterany dia i Jeramela sy i Rama ary i Kelobay. I Rama no niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba no niteraka an’i Nasona, lohan’ny taranak’i Joda; ary i Nasona no niteraka an’i Salma; i Salma no niteraka an’i Boaza; i Boaza no niteraka an’i Obeda; i Obeda no niteraka an’i Jese; i Jese no niteraka an’i Eliaba, lahimatoa; i Abinadaba, lahiaivo; i Simea, fahatelo, i Netanela, fahefatra; i Raday, fahadimy; i Ozema, fahenina; ary i Davida, faralahy; ny anabavin-dry zareo dia i Zeroia sy i Abigaila; telo ny zanakalahin’i Zeroia, dia i Abisay, i Joaba ary i Asahela; ary i Abigaila no niteraka an’i Amasa; ary i Jitira ismaelita no rain’i Amasa. Ary i Kaleba, zanakalahin’i Hezrona, no niteraka tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota. Ireto no zanakalahin’i Azoba: I Jasera sy i Sobaba ary i Ardona. Nony maty i Azoba dia i Efrata no nalain’i Kaleba ho vadiny, ary niteraka an’i Hora taminy izy. I Hora no niteraka an’i Orỳ; i Orỳ no niteraka an’i Bezalila. Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy; ary i Segoba no niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roapolo tany amin’ny tany Gileada. Nalain’i Gesora sy i Arama tamin’ny Jairita ny tanàna madinika an’i Jaira mbamin’i Kenata sy ny vohitra miankina aminy, dia tanàna enimpolo izany. Ireo rehetra ireo dia an’ny zanak’i Makira, rain’i Gileada. Nony maty tany Kaleba-Efrata i Hezrona dia niteraka an’i Asora, rain’ny any Tekoa, taminy, i Abia vadin’i Hezrona. Ny zanakalahin’i Jeramela, lahimatoan’i Hezrona, dia i Rama, lahimatoa, i Bona, i Orena, i Ozema ary i Ahia. Nanana vady hafa koa i Jeramela, Atara no anarany; izy no renin’i Onama. Ny zanakalahin’i Rama, lahimatoan’i Jeramela, dia i Maza sy i Jamina ary i Ekera. Ny zanakalahin’i Onama dia i Samay sy i Jada. Ny zanakalahin’i Samay dia i Nadaba sy i Abisora. Ny anaran’ny vadin’i Abisora dia i Abihaila; ary niteraka an’i Abana sy i Molida taminy izy. Ny zanakalahin’i Nadaba dia i Seleda sy i Apaima. Maty momba kosa i Seleda. Ny zanakalahin’i Apaima dia i Jisy. Ny zanakalahin’i Jisy dia i Sesana. Ny zanakalahin’i Sesana dia i Ahelay. Ny zanakalahin’i Jada, rahalahin’i Samay, dia i Jetera sy i Jonatana; nefa maty momba i Jetera. Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Paleta sy i Zazà. Ireo no zanakalahin’i Jeramela. Tsy nanana zanakalahy i Sesana fa vavy avokoa. Nanana mpanompo ejiptiana i Sesana, i Jara no anarany. Nomen’i Sesana ho vadin’i Jara mpanompony ny zanany vavy; ary niteraka an’i Atahy taminy izy. I Atahy no niteraka an’i Natana; i Natana no niteraka an’i Zabada; i Zabada no niteraka an’i Efilala; i Efilala no niteraka an’i Obeda; i Obeda no niteraka an’i Jeho; i Jeho no niteraka an’i Azaria; i Azaria no niteraka an’i Heleza; i Heleza no niteraka an’i Elasa; i Elasa no niteraka an’i Sismay; i Sismay no niteraka an’i Saloma; i Saloma no niteraka an’i Jekamia; ary i Jekamia no niteraka an’i Elisama. Ny zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jeramela, dia i Mesa, lahimatoa, rain’ny any Zifa, sy ny zanakalahin’i Maresa, rain’ny any Hebrona. Ny zanakalahin’i Hebrona dia i Kora, i Tapoa, i Rekema ary i Sema. I Sema no niteraka an’i Rahama, rain’i Jorkeama, i Rekema no niteraka an’i Samay; ny zanakalahin’i Samay dia i Maona; i Maona no rain’ny any Bety-Zora; ary i Efaha, vady tsindranon’i Kaleba, no niteraka an’i Harana sy i Moza ary i Gazeza. Ary i Harana no niteraka an’i Gazeza. Ny zanakalahin’i Jeday dia i Regema, i Jotama, i Gesana, i Paleta, i Efaha ary i Safa. Ary i Maka, vady tsindranon’i Kaleba, no niteraka an’i Sebera sy i Tirana. Niteraka an’i Safa, rain’ny any Madmana, sy i Seva, rain’ny any Makbena sady rain’ny any Gibea koa izy; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Aksa. Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: I Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima; i Salma, rain’ny any Betlehema; i Harefa, rain’ny any Bety-Gadera. Nanan-janakalahy i Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima, dia i Haroe sy i Hatsỳ-Hamenokota. Ny fokon’i Kiriata-Jearima dia ny Jitirila, ny Potita, ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin’ireo no niavian’ny Zoraìta sy ny Estaolita. Ny zanakalahin’i Salma dia i Betlehema, ny Netofatita, i Atarota-Bety-Joaba, i Hatsỳ-Hamanatita, ny Zoraìta ary ny fokon’ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’i Hamata, rain’ny taranak’i Rekaba. Izao no zanakalahin’i Davida, izay naterany tao Hebrona: I Amnona, zanak’i Ahinoama jezirelita, no lahimatoa; i Daniela, zanak’i Abigaila karmelita, no lahiaivo; i Absaloma, zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay mpanjakan’i Gesora, no fahatelo; i Adonia, zanak’i Hagita, no fahefatra; i Sefatia, zanak’i Abitala, no fahadimy; i Jitireama, zanak’i Egla vadiny, no fahenina. Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telopolo taona. Ireto no naterany tany Jerosalema: I Simea, i Sobaba, i Natana ary i Solomona, ireo efa-dahy ireo dia naterany tamin’i Baty-Soa, zanakavavin’i Amiela; i Jibara, i Elisama, i Elifeleta, i Noga, i Nafega, i Jafia, i Elisama, i Eliada ary Elifeleta; sivy izy ireo. Izy rehetra ireo no zanakalahin’i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vady tsindranony; ny anabavin-dry zareo dia i Tamara. Ny zanakalahin’i Solomona dia i Rehoboama; i Abia no zanakalahin’i Rehoboama; i Asa no zanakalahin’i Abia; i Josafata no zanakalahin’i Asa; i Jehorama no zanakalahin’i Josafata; i Ahazia no zanakalahin’i Jehorama; i Joasy no zanakalahin’i Ahazia, i Amazia no zanakalahin’i Joasy; i Azaria no zanakalahin’Amazia; i Jotama no zanakalahin’i Azaria; i Ahaza no zanakalahin’i Jotama; i Hezekia no zanakalahin’i Ahaza; i Manase no zanakalahin’i Hezekia; i Amona no zanakalahin’i Manase; i Josia no zanakalahin’i Amona. Izao no zanakalahin’i Josia: I Johanana, lahimatoa; i Joiakima, lahiaivo; i Zedekia, fahatelo ary i Saloma, faralahy. Ny zanakalahin’i Joiakima dia i Jekonia ary i Zedekia no zanak’i Jekonia. Ny zanakalahin’i Jekonia ilay mpifatotra tany Babilona dia i Sealtiela, i Malkirama, i Pedaia, i Senazara, i Jekamia, i Hosama ary i Nedabia. Ny zanakalahin’i Pedaia dia i Zerobabela sy i Simey. Ny zanakalahin’i Zerobabela dia i Mesolama sy i Hanania ary i Selomita, anabaviny, ary koa i Hasoba, i Ohela, i Berekia, i Hasadia ary i Josaba-Heseda; dimy izy ireo. Ny zanakalahin’i Hanania dia i Pelatia, Isaia, ny zanakalahin’i Refaia, ny zanakalahin’i Arnana, ny zanakalahin’i Obadia ary ny zanakalahin’i Sekania. Ny zanakalahin’i Sekania dia i Semaia. Ny zanakalahin’i Semaia dia i Hatosy, i Jigala, i Baria, i Nearia ary i Safata; enina izy ireo. Ny zanakalahin’i Nearia dia i Elioenay sy i Hezekia ary i Azrikama; telo izy ireo. Ny zanakalahin’i Elioenay dia i Hodaia, i Eliasiba, i Pelaia, i Akoba, i Johanana, i Delaia ary i Ananỳ; fito izy ireo. Ny zanakalahin’i Joda dia i Fareza, i Hezrona, i Karmy, i Hora ary i Sobala. I Reaia, zanakalahin’i Sobala, no niteraka an’i Jahata; i Jahata no niteraka an’i Ahomay sy i Lahada. Ireo no fianakavian’ny Zoraìta. Izao no avy amin’ny rain’i Etama: I Jezirela sy i Jisma ary i Jidbasy. I Hazilelponỳ no anaran’ny anabaviny. I Penoela no rain’i Gedora, ary i Ezera no rain’i Hosa. Ireo no zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata, rain’ny any Betlehema. Nampirafy i Asora, rain’ny any Tekoa, dia i Hela sy i Nara. I Nara no niteraka an’i Ahozama, i Hafera, i Temeny ary i Hahastarỳ. Ireo no zanakalahin’i Nara. Ny zanakalahin’i Hela dia i Zareta sy i Jizara ary i Etnana. I Koza no niteraka an’i Anoba sy i Zobeba ary ny fokon’i Aharela, zanakalahin’i Haroma. Ary i Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ny reniny no nanome ny anarany hoe Jabeza, satria hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. Ary niantso an’Andriamanitry ny Israely i Jabeza ka hoy izy: Enga anie ka hotahinao tokoa aho ka hohalalahinao ny faritaniko, ary ho amiko ny tananao ka harovanao amin’ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Dia nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny. I Keloba, rahalahin’i Soha, no niteraka an’i Mehira, rain’i Estona; i Estona no niteraka an’i Bety-Rafa sy i Pasea ary i Tehinà, rain’Ira-Nahasa. Ireo dia mponina tao Reka. Ny zanakalahin’i Kenaza dia i Otniela sy i Seraia; ny zanakalahin’i Otniela dia i Hatata. I Meonotahy no niteraka an’i Ofra; i Seraia no niteraka an’i Joaba, rain’ny ao an-dohasahan’ny mpiasa; fa mpahay taozavatra izy ireo. Ny zanakalahin’i Kaleba, zanakalahin’i Jefone, dia Iro sy i Elaha ary i Nama; ny zanakalahin’i Elaha dia i Kenaza. Ny zanakalahin’i Jehalalila dia i Zifa, i Zifaha, i Tiria ary i Asarela. Ny zanakalahin’i Ezra dia i Jetera, i Mereda, i Efera ary i Jalona. Niteraka an’i Miriama sy i Samay ary i Jisba rain’ny any Estemoa izy. Ary ilay Jiosy vadiny no niteraka an’i Jareda, rain’ny any Gedora, sy i Ebera, rain’ny any Soko, ary i Jekotiela, rain’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mereda. Ny zanakalahin’i Hodia vadiny, izay anabavin’i Nahama, dia ny rain’ny an’i Keila garmita sy i Estemoa makatita. Ny zanakalahin’i Simona dia i Amnona, i Rina, i Beny-Hanana ary i Tilona. Ny zanakalahin’i Jisy dia i Zoheta sy i Beny-Zoheta. Ny zanakalahin’i Sela, zanak’i Joda, dia i Era, rain’i Leka; i Lada, rain’i Maresa; ny fokon’ny mpanao lamba rongony fotsy madinika amin’ny ankohonan’i Asbea; i Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary i Joasy sy i Sarafa, izay samy nitondra tany Moaba, dia niverina tany Lehema. Ary efa ela izany zavatra izany. Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoeran’izy ireo, teo akaikin’ny mpanjaka, satria niasa ho an’ny mpanjaka izy ireo. Ny zanakalahin’i Simeona dia i Nemoela, i Jamina, i Jariba, i Zera ary i Saoly. I Saloma no zanakalahin’i Saoly, i Mibsama no zanakalahin’i Saloma, i Misma no zanakalahin’i Mibsama. Ny zanakalahin’i Misma dia i Hamoela, ary i Zakora no zanakalahin’i Hamoela, i Simey no zanakalahin’i Zakora. Nanana zanakalahy enina amby folo sy zanakavavy enina i Simey; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’i Joda ny fokony rehetra. Izy ireo dia nonina tao Bery-Sheba, Molada, Hazara-Soala, Bila, Ezema, Tolada, Betoela, Horma, Ziklaga, Bety-Markabota, Hazora-Sosima, Bety-Biry ary tao Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’i Davida. Ny vohitra miankina aminy dia i Etama, i Aina, i Rimona, i Tokena ary i Asana; tanàna dimy ireo, miampy ny vohitra miankina aminy rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Baala. Ireo no fonenany sady nanana tetiarana manokana izy. I Mesobaba, i Jamleka, i Josa, zanak’i Amazia, i Joela sy i Jeho, zanak’i Josibia, zanak’i Seraia, zanak’i Asiela, i Elioenay, i Jakoba, i Jesohaia, i Asaia, i Adiela, i Jesimiela, i Benaia, i Ziza, zanak’i Sify, zanak’i Alona, zanak’i Jedaia, zanak’i Simry, zanak’i Semaia; ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ny fianakaviany avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany. Nankany amin’ny fidirana ho any Gedora izy ireo, dia hatrany amin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ny ondry aman’osiny. Dia nahita ahitra maitso sady tsara izy ireo; malalaka ny tany sady nandry fehizay; ary ny taranak’i Hama no nonina tao tany taloha. Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny tranolay sy ny fonenan’ny Mehonita hitany tao ary nandringana azy rehetra toy ny zavatra voaozona, mandraka ankehitriny. Nonina nisolo azy izy ireo satria nisy ahitra ho an’ny ondry aman’osiny tany. Nisy lehilahy dimanjato tamin’ny taranak’i Simeona nankany amin’ny tendrombohitra Seìra ka i Peletia, i Nearia, i Refaia ary i Oziela, zanakalahin’i Jisy, no mpifehy azy. Namely ny sisa afaka tamin’ny Amalekita izy ireo ka monina ao mandraka androany. Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely; izy no lahimatoa; saingy tamin’ny nandotoany ny farafaran’ny rainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Israely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny tetiarana ireo; fa i Joda dia nisandratra ho ambony noho ny rahalahiny ary izy no niavian’ny mpitondra; fa ny fizokiana dia an’i Josefa ihany. Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy. Ny zanakalahin’i Joela dia i Semaia; i Goga no zanakalahin’i Semaia; i Simey no zanakalahin’i Goga; i Mika no zanakalahin’i Simey; i Reaia no zanakalahin’i Mika; i Baala no zanakalahin’i Reaia; i Bera no zanakalahin’i Baala, izay nobaboin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria; izy no loham-pirenen’ny Robenita. Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy, raha araka ny tetiarana, dia i Jeiela no lohany, ny manarakaraka azy dia i Zakaria ary i Bela, zanak’i Azaza, zanak’i Sema, zanak’i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Baala-Meona. Nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny ony Eofrata izy; fa nihamaro teny amin’ny tany Gileada ny omby aman’ondriny. Tamin’ny andron’i Saoly dia niady tamin’ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day nanerana ny ilany atsinanana rehetra amin’i Gileada izy. Nonina tandrifiny, teny amin’ny tany Basana hatrany Saleka ny taranak’i Gada. I Joela no lohany, i Safama no manarakaraka, ary i Janay sy i Safata no tany Basana. Ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia i Mikaela, i Mesolama, i Seba, i Joray, i Jakana, i Zia ary i Ebera; fito izy ireo. Ireo no zanakalahin’i Abihaila, zanak’i Hory, zanak’i Jaroa, zanak’i Gileada, zanak’i Mikaela, zanak’i Jesisay, zanak’i Jado, zanak’i Boza; i Ahia, zanak’i Abdiela, zanak’i Gonỳ, no lohan’ny fianakaviany. Nonina tany Gileada sy tany Basana ary tany amin’ny vohitra miankina aminy sy tany amin’ny tany rehetra manodidina an’i Saròna ka hatrany an-tsisiny izy ireo. Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely. Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika. Niady tamin’ny Hagarita, tamin’i Jetora, tamin’i Nafisy ary tamin’i Nodaba izy ireo. Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. Ary nobaboiny ny biby fiompiny, dia rameva dimy alina, ondry aman’osy dimy alina sy roa hetsy, boriky roa arivo ary olona iray hetsy; maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ny fahababoana. Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina teo amin’ny tany; ary nihamaro izy ireo ka tonga hatrany Basana ka hatrany Baala-Hermona sy Senira ary hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona. Izao no lohan’ny fianakaviany: I Efera, i Jisy, i Eliela, i Azriela, i Jeremia, i Hodavia ary i Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy loham-pianakaviany avy. Nivadika tamin’Andriamanitry ny razany anefa izy ireo fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany. Ary ny Andriamanitry ny Israely nampirisika an’i Pola, mpanjakan’i Asiria, sy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia noentiny tany Hala, tany Habora, tany Hara ary tany amoron’ny ony Gozana, ambaraka androany. Ny zanakalahin’i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary. Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela. Ny zanak’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy ary i Miriama. Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. I Eleazara no niteraka an’i Finehasa; i Finehasa no niteraka an’i Abisoa; i Abisoa no niteraka an’i Bokỳ; i Bokỳ no niteraka an’i Ozy; i Ozy no niteraka an’i Zerahia; i Zerahia no niteraka an’i Meraiota; i Meraiota no niteraka an’i Amaria; i Amaria no niteraka an’i Ahitoba; i Ahitoba no niteraka an’i Zadoka; i Zadoka no niteraka an’i Ahimaza; i Ahimaza no niteraka an’i Azaria; i Azaria no niteraka an’i Johanana; i Johanana no niteraka an’i Azaria, ilay nanao fisoronana tao amin’ny trano nataon’i Solomona tany Jerosalema; i Azaria no niteraka an’i Amaria; i Amaria no niteraka an’i Ahitoba; i Ahitoba no niteraka an’i Zadoka; i Zadoka no niteraka an’i Saloma; i Saloma no niteraka an’i Hilkia; i Hilkia no niteraka an’i Azaria; i Azaria no niteraka an’i Seraia; i Seraia no niteraka an’i Jozadaka. Lasa nandeha koa i Jozadaka nony voatolotry NY TOMPO ho babon’i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema. Ny zanakalahin’i Levy dia i Gersoma sy i Kehata ary i Merary. Izao no anaran’ny zanakalahin’i Gersoma: I Libny sy i Semey. Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela. Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Izao no fianakavian’ny levita araka ny rainy. Avy amin’i Gersoma: I Libny no zanakalahin’i Gersoma; i Jahata no zanakalahin’i Libny; i Zima no zanakalahin’i Jahata; i Joa no zanakalahin’i Zima; Ido no zanakalahin’i Joa; i Zera no zanakalahin’Ido; i Jeateray no zanakalahin’i Zera. Ny zanakalahin’i Kehata dia i Aminadaba; i Kora no zanakalahin’i Aminadaba; i Asira no zanakalahin’i Kora; i Elkana no zanakalahin’i Asira; i Ebiasafa no zanakalahin’i Elkana; i Asira no zanakalahin’i Ebiasafa; i Tahata no zanakalahin’i Asira; i Oriela no zanakalahin’i Tahata; i Ozia no zanakalahin’i Oriela ary i Saoly no zanakalahin’i Ozia. Ny zanakalahin’i Elkana dia i Amasay sy i Ahimota. Ny an’i Elkana, ny zanany lahy dia i Zofay; i Nahata no zanakalahin’i Zofay; i Eliaba no zanakalahin’i Nahata; i Jerohama no zanakalahin’i Eliaba; i Elkana no zanakalahin’i Jerohama. Ny zanakalahin’i Samoela dia i Vasny, lahimatoa, sy i Abia. Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly; i Libny no zanakalahin’i Maly; i Semey no zanakalahin’i Libny; i Oza no zanakalahin’i Semey; i Simea no zanakalahin’i Oza; i Hagia no zanakalahin’i Simea; i Asaia no zanakalahin’i Hagia. Izao no notendren’i Davida ho mpiventy hira tao amin’ny tranon’NY TOMPO, rehefa voapetraka tao ny vata misy ny Fanekena. Izy ireo no nanao fanompoana tamin’ny alalan’ny hira, tao amin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, ambara-panangan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema; nanatanteraka ny fanompoany araka ny filaharany avy izy ireo. Izao no nanao ny fanompoana, niaraka tamin’ny zanany: Tamin’ny zanakalahin’ny Kehatita dia i Hemana mpihira, zanakalahin’i Joela, zanakalahin’i Samoela, zanakalahin’i Elkana, zanakalahin’i Jerohama, zanakalahin’i Eliela, zanakalahin’i Toa, zanakalahin’i Zofa, zanakalahin’i Elkana, zanakalahin’i Mahata, zanakalahin’i Amasay, zanakalahin’i Elkana, zanakalahin’i Joela, zanakalahin’i Azaria, zanakalahin’i Zefania, zanakalahin’i Tahata, zanakalahin’i Asira, zanakalahin’i Ebiasafa, zanakalahin’i Kora, zanakalahin’i Jizara, zanakalahin’i Kehata, zanakalahin’i Levy, zanak’Israely. I Asafa rahalahiny, izay nijoro teo ankavanany: I Asafa, zanakalahin’i Berekia, zanakalahin’i Simea, zanakalahin’i Mikaela, zanakalahin’i Baseia, zanakalahin’i Malkia, zanakalahin’i Etny, zanakalahin’i Zera, zanakalahin’i Adaia, zanakalahin’i Etana, zanakalahin’i Zima, zanakalahin’i Simey, zanakalahin’i Jahata, zanakalahin’i Gersona, zanakalahin’i Levy. Ny rahalahin’ireo kosa dia ny zanakalahin’i Merary, izay nijoro teo amin’ny ankaviany: I Etana, zanakalahin’i Kisy, zanakalahin’i Abdia, zanakalahin’i Maloka, zanakalahin’i Hasabia, zanakalahin’i Amazia, zanakalahin’i Hilkia, zanakalahin’i Amzy, zanakalahin’i Bany, zanakalahin’i Semera, zanakalahin’i Maly, zanakalahin’i Mosy, zanakalahin’i Merary, zanakalahin’i Levy. Ny levita rahalahin’ireo koa dia notendrena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tabernakely, ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Fa i Arona sy ny zanany lahy no nandoro ho fofona ny fanatitra teo ambonin’ny alitara fanolorana ny fanatitra dorana manontolo sy teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; izy ireo no nisahana ny raharaha rehetra ao amin’ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an’ny Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra. Ny zanakalahin’i Arona dia i Eleazara; i Finehasa no zanakalahin’i Eleazara; i Abisoa no zanakalahin’i Finehasa; i Bokỳ no zanakalahin’i Abisoa; i Ozy no zanakalahin’i Bokỳ; i Zerahia no zanakalahin’i Ozy; i Meraiota no zanakalahin’i Zerahia; i Amaria no zanakalahin’i Meraiota; i Ahitoba no zanakalahin’i Amaria; i Zadoka no zanakalahin’i Ahitoba; i Ahimaza no zanakalahin’i Zadoka. Ireto no toeram-ponenany araka ny vohiny tao amin’ny zarataniny avy. Ny an’ny taranak’i Arona, avy amin’ny fianakavian’ny Kehatita izay nahazo ny antsapaka voalohany, dia nomeny an’i Hebrona tao amin’ny tanin’i Joda sy ny tany manodidina azy. Fa nomeny an’i Kaleba, zanak’i Jefone kosa ny saha momba ny tanàna sy ny vohitra manodidina azy. Ny taranak’i Arona dia nomeny an’i Hebrona, tanàna fialofana, i Libna sy ny tany manodidina azy, i Jatira sy i Estemoa sy ny tany manodidina azy, i Hileza sy ny tany manodidina azy, i Debira sy ny tany manodidina azy, i Asana sy ny tany manodidina azy, i Bety-Semesy sy ny tany manodidina azy; ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Geba sy ny tany manodidina azy, i Alemeta sy ny tany manodidina azy, i Anatota sy ny tany manodidina azy. Telo amby folo no isan’ny tanànan’izy mianakavy rehetra. Ny an’ny taranak’i Kehata sisa tamin’ny fokon’izany firenena izany dia tanàna folo araka ny antsapaka tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase. Ny an’ny taranak’i Gersoma araka ny fianakaviany dia tanàna telo amby folo tamin’ny fokon’Isakara, ny fokon’i Asera, ny fokon’i Naftaly ary ny fokon’i Manase any Basana. Ny antsapaka azon’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany dia tanàna roa amby folo avy tamin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolona. Dia nomen’ny Zanak’Israely ho an’ny levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy. Nomeny tamin’ny antsapaka ireto tanàna tononina ireto, avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Joda sy ny fokon’ny taranak’i Simeona ary ny fokon’ny taranak’i Benjamina. Fa ny sasany amin’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin’ny fokon’i Efraima. Nomeny azy ho tanàna fialofana i Sekema, ny tao amin’ny tany be havoana any Efraima sy ny tany manodidina azy; i Gezera sy ny tany manodidina azy; i Jokmeama sy ny tany manodidina azy; i Bety-Horona sy ny tany manodidina azy; i Aialona sy ny tany manodidina azy; i Gata-Rimona sy ny tany manodidina azy; ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Amera sy ny tany manodidina azy; i Bileama sy ny tany manodidina azy. Izany dia ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa. Ny an’ny taranak’i Gersoma dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy; i Astarota sy ny tany manodidina azy avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase; ny avy tamin’ny fokon’Isakara dia i Kadesy sy ny tany manodidina azy; i Daberata sy ny tany manodidina azy; i Ramota sy ny tany manodidina azy; i Anema sy ny tany manodidina azy; ny avy tamin’ny fokon’i Asera dia i Masala sy ny tany manodidina azy; i Abdona sy ny tany manodidina azy; i Hokoka sy ny tany manodidina azy; i Rehoba sy ny tany manodidina azy; ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia i Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy; i Hamona sy ny tany manodidina azy; i Kiriataima sy ny tany manodidina azy. Ny an’ny sisa amin’ny taranak’i Merary, avy tamin’ny fokon’i Zebolona, dia i Rimono sy ny tany manodidina azy; i Tabara sy ny tany manodidina azy; any andafin’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, atsinanan’i Jordana, avy tamin’ny fokon’i Robena dia i Bazera any an-tany efitra sy ny tany manodidina azy; i Jaza sy ny tany manodidina azy; i Kedemota sy ny tany manodidina azy; i Mefata sy ny tany manodidina azy; ary avy tamin’ny fokon’i Gada dia i Ramota-Gileada sy ny tany manodidina azy; i Mahanaima sy ny tany manodidina azy; i Hesbona sy ny tany manodidina azy; i Jazera sy ny tany manodidina azy. Ny zanakalahin’Isakara dia i Tola, i Poa, i Jasoba ary i Simrona; efatra izy ireo. Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, i Refaia, i Jeriela, i Jamay, i Jibsama ary i Samoela, samy loham-pianakavian’i Tola ary samy lehilahy mahery tamin’ny fianakaviany avy ireo; eninjato sy roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida. Ny zanakalahin’i Ozy dia i Jizrahia. Ny zanakalahin’i Jizrahia dia i Mikaela, i Obadia, i Joela ary i Jisia; dimy izy ireo; loholona avokoa izy rehetra ireo. Nanana miaramila antokotokony izy araka ny taranany sy ny fianakaviany avy, enina arivo sy telo alina izany; fa maro ny vady aman-janak’ireo. Ary ny rahalahiny ao amin’ny fokon’ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo sy valo alina. Ny zanakalahin’i Benjamina dia i Bela sy i Bekera ary i Jediaela; telo izy ireo. Ny zanakalahin’i Bela dia i Ezbona, i Ozy, i Oziela, i Jerimota ary Iry; dimy izy ireo, ary samy loham-pianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ny isany araka ny firazanany dia efatra amby telopolo sy roa arivo sy roa alina. Ny zanakalahin’i Bekera dia i Zemira, i Joasy, i Eliezera, i Elioenay, i Omry, i Jerimota, i Abia, i Anatota ary i Alemeta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Bekera. Ny isany araka ny tetiarana, dia ireo loham-pianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina. Ny zanakalahin’i Jediaela dia i Bilana; ny zanakalahin’i Bilana dia i Jeosy, i Benjamina, i Ehoda, i Kenana, i Zetana, i Tarsisy ary i Ahisahara. Ireo zanakalahin’i Jediaela rehetra ireo, araka ny loham-pianakaviany, dia roanjato sy fito arivo sy iray alina; ireo no isan’ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika. I Sopima koa sy i Hopima, zanakalahin’Iry, ary i Hosima, zanakalahin’i Ahera. Ny zanakalahin’i Naftaly dia i Jaziela, i Gonỳ, i Jezera, i Saloma, izay samy zanakalahin’i Bila. Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela, izay naterany tamin’ilay vady tsindranony arameana, izay niteraka an’i Makira, rain’i Gileada. I Makira dia naka vady ho an’i Hopima sy i Sopima; ny anaran’ny rahavaviny dia i Maka; ny anaran’ny manarakaraka dia i Zelofada; ary nanan-janakavavy i Zelofada. Niteraka zazalahy i Maka, vadin’i Makira, ka Peresy no nataony anarany; ary Seresy no anaran’ny rahalahiny; ny anaran’ny zanany lahy dia Olama sy Rekema. Ny zanakalahin’i Olama dia i Bedana. Ireo no zanakalahin’i Gileada, zanakalahin’i Makira, zanakalahin’i Manase. I Hamoleketa anabaviny no niteraka an’i Isehoda sy i Abiezera ary i Mahala. Ny zanakalahin’i Semida dia i Ahiana, i Sekema, i Liky ary i Aniama. Ny zanakalahin’i Efraima dia i Sotela; i Bereda no zanakalahin’i Sotela; i Tahata no zanakalahin’i Bereda; i Elada no zanakalahin’i Tahata; i Tahata no zanakalahin’i Elada; i Zabada no zanakalahin’i Tahata; i Sotela no zanakalahin’i Zabada. Novonoin’ny tompon-tany tao Gata i Ezera sy i Elada, satria nidina hangalatra ny omby aman’ondriny. Nisaona azy ela i Efraima rainy ary tonga nampionona azy ny rahalahiny. Nony niray tamin’ny vadiny izy dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’izany. Ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an’i Bety-Horona ambany sy ambony sy Ozena-Sera. I Refa sy i Resefa no zanakalahin’i Beria; i Tela no zanakalahin’i Resefa; i Tahana no zanakalahin’i Tela; i Ladana no zanakalahin’i Tahana; i Amihoda no zanakalahin’i Ladana; i Elisama no zanakalahin’i Amihoda; i Nona no zanakalahin’i Elisama; i Josoa no zanakalahin’i Nona. Ny taniny sy ny fonenany dia i Betela sy ny vohitra miankina aminy; ny any atsinanana dia i Narana, ny any andrefana dia i Gezera sy ny vohitra miankina aminy ary i Sekema sy ny vohitra miankina aminy hatrany Gaza sy ny vohitra miankina aminy; teo amin’ny sisintanin’ny taranak’i Manase dia i Bety-Sana sy ny vohitra miankina aminy, i Tanàka sy ny vohitra miankina aminy, i Megido sy ny vohitra miankina aminy, i Dora sy ny vohitra miankina aminy. Tamin’ireo no nonenan’ny taranak’i Josefa, zanak’Israely. Ny zanakalahin’i Asera dia i Jimna, i Jisva, i Jisvy ary i Beria; ny anabavin’ireo dia i Sera. Ny zanakalahin’i Beria dia i Ebera sy i Malkiela, rain’i Birzaita. I Ebera no niteraka an’i Jafleta sy i Somera ary i Hotama; ny anabavin’ireo dia i Soha. Ny zanakalahin’i Jafleta dia i Pasaka, i Bimala ary i Asvata. Ireo no zanakalahin’i Jafleta. Ny zanakalahin’i Semera dia i Ahaia, i Rohaga, i Hoba ary i Arama. Ny zanakalahin’i Helema rahalahiny dia i Zofa, i Jimna, i Selesy ary i Amala. Ny zanakalahin’i Zofa dia i Soha, i Harnefera, i Soala, i Bery, i Jimra, i Bazera, i Hoda, i Sama, i Silsa, i Jitirana ary i Bera. Ny zanakalahin’i Jetera dia i Jefone sy i Pispa ary i Ara. Ny zanakalahin’i Ola dia i Ara sy i Haniela ary i Rizia. Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany ary olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo sy roa alina; izay no azo nalefa hanafika. I Benjamina no niteraka an’i Bela, lahimatoa, i Asbela, lahiaivo, i Ahara, fahatelo, i Noha, fahefatra, ary i Rafa, faralahy. Ny zanakalahin’i Bela dia i Adara, i Gera, i Abihoda, i Abisoa, i Namàna, i Ahoa, i Gera, i Sefofana ary i Horama. Ireto no zanakalahin’i Ehoda, izay loham-pianakavian’ny mponina any Geba, izay noentina ho babo tany Manahata: I Namàna sy i Ahia ary i Gera; izy no nitondra azy ho babo. Niteraka an’i Oza sy i Ahihoda izy. Niteraka tany amin’ny tany Moaba i Saharaima taorianan’ny nisaorany an’i Hosima sy i Bara vadiny. I Hodesy vadiny no niterahany an’i Jobaba, i Ziba, i Mesa, i Malkama, i Jeoza, i Sakia ary i Mirma. Ireo no zanany lahy, samy loham-pianakaviany avy. I Hosima no niterahany an’i Abitoba sy i Elpala. Ny zanakalahin’i Elpala dia i Ebera sy i Misama ary i Semera, izay nanorina an’i Ono sy i Loda sy ny vohitra miankina aminy. I Beria sy i Sema, izay loham-pianakavian’ny mponina tao Aialona dia nandroaka ny mponina tao Gata. I Ahio, i Sasaka, i Jeremota, i Zebadia, i Arada, i Adera, i Mikaela, i Jispa ary i Joha, no zanakalahin’i Beria. I Zebadia, i Mesolama, i Hizky, i Ebera, i Jismeray, i Jizlia ary i Jobaba, no zanakalahin’i Elpala. I Jakima, i Zikry, i Zabdy, i Elienay, i Ziletahy, i Eliela, i Adaia, i Beraia ary i Simrata, no zanakalahin’i Simey. I Jispana, i Ebera, i Eliela, i Abdona, i Zikry, i Hanana, i Hanania, i Elama, i Antotia, i Jifdia ary i Penoela, ireo no zanakalahin’i Sasaka. I Samseray, i Seharia, i Atalia, i Jaresia, i Elia ary i Zikry, no zanakalahin’i Jerohama. Ireo no loham-pianakaviany, samy loholona araka ny firazanany. Ireo no nonina tany Jerosalema. Tao Gibeona no nonenan’ny rain’i Gibeona, ary ny anaran’ny vadiny dia Maka. I Abdona no lahimatoany, nanaraka azy i Zora, i Kisy, i Baala, i Nadaba, i Gedora, i Ahio, i Zekera. I Miklota no niteraka an’i Simea. Ireo koa dia niara-monina tamin’ny rahalahiny tany Jerosalema, dia ireo nifanandrify fonenana taminy. I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala. Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meribaala; i Meribaala no niteraka an’i Mika. Ny zanakalahin’i Mika dia i Pitona, i Meleka, i Tarea ary i Ahaza. I Ahaza no niteraka an’i Jehoada; i Jehoada no niteraka an’i Alemeta sy i Azmaveta ary i Zimry; i Zimry no niteraka an’i Moza; i Moza no niteraka an’i Binea; i Rafa no zanakalahin’i Binea, i Elasa no zanakalahin’i Rafa, i Azela no zanakalahin’i Elasa. Nanana zanaka enina mirahalahy i Azela ka izao no anarany: I Azrikama, i Bokero, Ismaela, i Searia, i Obadia ary i Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Azela. Ny zanakalahin’i Eseka rahalahiny dia i Olama, lahimatoa, sy i Jeosy, lahiaivo, ary i Elifeleta, faralahy. Ny zanakalahin’i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka; nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dimampolo amby zato no isany. Ireo rehetra ireo no taranak’i Benjamina. Nalaina isa araka ny firazanany avy ny Israely rehetra; ary indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely izany. Ny Joda dia noentina ho babo tany Babilona noho ny fahotany. Ny mponina voalohany tamin’ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Israelita sy ny mpisorona ary ny levita sy ny Netinima. Tany Jerosalema no nonenan’ny sasany avy amin’ny taranak’i Joda, ny sasany avy amin’ny taranak’i Benjamina, ny sasany avy amin’ny taranak’i Efraima ary ny sasany avy amin’ny taranak’i Manase, dia i Otahy, zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’Imry, zanak’i Bany, avy amin’ny taranak’i Fareza, zanak’i Joda. Tamin’ny Silonita dia i Asaia, lahimatoa, sy ny zanany. Tamin’ny taranak’i Zera dia i Jeoela sy ny rahalahiny, sivifolo sy eninjato. Tamin’ny taranak’i Benjamina dia i Salo, zanak’i Mesolama, zanak’i Hodavia, zanak’i Hasenoa; i Jibnia, zanak’i Jerohama; i Elaha, zanak’i Ozy, zanak’i Mikry; i Mesolama, zanak’i Sefatia, zanak’i Regoela, zanak’i Jibnia; ary ny isan’ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimampolo sy sivinjato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany avy. Tamin’ny mpisorona dia i Jedaia, i Jehoiariba, i Jakina, i Azaria, zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra; i Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia ary i Masay, zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’Imera. Ny rahalahin’ireo, izay samy loham-pianakaviany avy, dia enimpolo sy fitonjato sy arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra ireo. Tamin’ny levita dia i Semaia, zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, tamin’ny taranak’i Merary; i Bakbakara, i Haresy, i Galala ary Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zikry, zanak’i Asafa; i Obadia, zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona ary i Berekia, zanak’i Asa, zanak’i Elkana, izay nonina tamin’ny vohitry ny Netofatita. Ny mpiandry varavarana dia i Saloma, i Akoba, i Talmona, i Ahimana ary ny rahalahiny, fa i Saloma no lohany; ambaraka ankehitriny dia ao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka ao atsinanana izy. Ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levy. I Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraìta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny tranolay; ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’NY TOMPO. I Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary NY TOMPO nomba azy. I Zakaria, zanak’i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa amby folo sy roanjato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; notendren’i Davida sy i Samoela mpahita izy noho ny fahatokiany. Ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny tranolay. Teo amin’ny lafiny efatra no nitoeran’ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo. Ny rahalahiny izay nonina teo amin’ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy. Fa niasa tamin’ny fahatokiany ireo levita efa-dahy, lehiben’ny mpiandry varavarana, ireo; ary tonian’ireo efitrano sy ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra koa izy ireo. Ary eo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina. Nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana ny sasany aminy ka nanisa azy ireny isaky ny mitondra azy miditra sy mivoaka. Ny sasany aminy indray dia notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, ny koba tsara toto, ny divay, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra ary ny zavamanitra. Ny sasany tamin’ny zanaky ny mpisorona no nanao haro manitra ho fanosorana. Ary i Matatia, iray tamin’ny levita, lahimatoan’i Saloma koraìta, no tonia maharitra amin’ny fanendasana ny mofo atao fanatitra. Ny sasany tamin’ny rahalahiny, tamin’ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ny mofo atao fanatitra ka mamboatra azy isan-tSabata. Ireo ihany koa no mpihira, ireo lohan’ny fianakaviana amin’ny levita ireo. Mitoetra any amin’ny efitrano ao amin’ny tempoly izy ireo ary tsy misahana raharaha hafa; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman’alina. Ireo dia lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. Tao Gibeona no nonenan’i Jeiela, rain’i Gibeona, ary ny anaran’ny vadiny dia Maka. Ny zanany lahimatoa dia i Abdona, nanaraka azy i Zora, i Kisy, i Baala, i Nera, i Nadaba, i Gedora, i Ahio, i Zakaria ary i Miklota. I Miklota no niteraka an’i Simeama. Ireo koa dia niara-nonina tamin’ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy. I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala. Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meribaala; i Meribaala no niteraka an’i Mika. Ny zanakalahin’i Mika dia i Pitona, i Meleka, i Tarea ary i Ahaza. I Ahaza no niteraka an’i Jara; i Jara no niteraka an’i Alemeta sy i Azmaveta ary i Zimry; i Zimry no niteraka an’i Moza; i Moza no niteraka an’i Binea. I Refaia no zanakalahin’i Binea; i Elasa no zanakalahin’i Refaia, i Azela no zanakalahin’i Elasa. Nanana zanaka enina mirahalahy i Azela ka izao avy no anarany: I Azrikama, i Bokero, Ismaela, i Searia, i Obadia ary i Hanana; ireo no zanakalahin’i Azela. Niady tamin’ny Israely ny Filistina. Ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty. Nanenjika fatratra an’i Saoly sy ny zanany ny Filistina ka matin’ny Filistina i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malky-Soa, zanakalahin’i Saoly. Mafy tamin’i Saoly ny ady; nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka. Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao ka atsatohy miboroaka amiko; fandrao avy irerỳ tsy mifora irerỳ ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany fa natahotra loatra. Dia nalain’i Saoly ny sabatra ka nianjerany. Rehefa hitan’ny mpitondra ny fiadiana fa maty i Saoly dia mba nianjera tamin’ny sabany koa izy ka maty. Dia niara-maty i Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra. Nony hitan’ny lehilahy rehetra amin’ny Israely teny amin’ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanànany avy izy ireo ka nandositra; ary tonga ny Filistina ka nonina tao. Nony ampitso, raha tonga hanendaka ny zavatra teny amin’ny faty ny Filistina, dia nahita an’i Saoly sy ny zanany lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa. Dia nesoriny ny akanjony ka ny loha izay notapahiny sy ny fiadiany no noentiny tany amin’ny tanin’ny Filistina manodidina mba hanambaràna izany zavatra mahafaly izany tamin’ny sampiny sy ny olona. Dia napetrany tao amin’ny tranon’ny andriamaniny ny fiadian’i Saoly, ary nohomboany teo amin’ny tempolin’i Dagona ny lohany. Nony ren’ny mponina rehetra tao Jabesy-Gileada izay rehetra nataon’ny Filistina tamin’i Saoly dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolambalony teo ambanin’ilay hazo terebinta tany Jabesy, avy eo dia nifady hanina hafitoana. Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty ary noho ny tsy nanontaniany tamin’NY TOMPO; dia novonoiny izy ary nafindrany ho an’i Davida, zanak’i Jese, ny fanjakana. Nivory teo amin’i Davida tao Hebrona ny Israely rehetra ka niteny hoe: Indreto izahay fa taolanao sy nofonao. Hatry ny fahiny ihany koa, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary hoy NY TOMPO Andriamanitrao taminao: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpitondra azy. Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Israely rehetra; ary nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’NY TOMPO i Davida; dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely izy araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Samoela. Nankany Jerosalema na Jebosa i Davida sy ny Israely rehetra; ary tao ny Jebosita tompon-tany. Hoy ny mponina tao Jebosa tamin’i Davida: Tsy ho tafiditra ato ianao. Kanjo azon’i Davida ihany ny manda fiarovana, dia i Ziona izay Tanànan’i Davida. Dia hoy i Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho mpitari-tafika. Ary i Joaba, zanak’i Zeroia, no niakatra voalohany, dia izy no tonga lohany. Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’i Davida. Ary nanorina ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; dia nanorina ny sisa tamin’ny tanàna indray i Joaba. Koa nisandratra hatrany i Davida, satria Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nomba azy. Izao no lohan’ny lehilahy maherin’i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ny fanjakany, mbamin’ny Israely rehetra, hampanjaka azy araka ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely. Izao no isan’ny lehilahy maherin’i Davida: I Jasobeama, zanak’i Hakmony, lehiben’ny mpanafika malaza; izy no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka naharingana azy tamin’ny ady indray mandeha monja. Ny manarakaraka azy dia i Eleazara, zanak’i Doday ahohita, iray amin’izy telo lahy mahery. Izy dia teo amin’i Davida tao Pasa-Damima, raha vory hiady teo ny Filistina. Nisy tanimboly rakotra varimbazaha teo; ary nandositra ny Filistina ny olona. Nijoro teo afovoan’io tany io kosa i Eleazara ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Dia nanao famonjena lehibe NY TOMPO. Nisy telo lahy malaza tamin’ny telopolo lahy nidina nankeo amin’ny vatolampy ho any amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama raha nitoby tao amin’ny lohasahan’ny Refaìta ny miaramilan’ny Filistina. Tao amin’ny manda fiarovana i Davida tamin’izay fa ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema. Nilaza izao faniriany izao i Davida hoe: Iza re no hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay eo akaikin’ny vavahady? Ary namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina izy telo lahy ireo ka nanovo rano tao amin’ny fantsakana tao Betlehema, ilay teo akaikin’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO izany. Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vy very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vy very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity. Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo. I Abisay, rahalahin’i Joaba, no lehibe tamin’izy telo lahy; izy koa no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka nahafaty azy, dia izy no nalaza tamin’izy telo lahy. Eny, tamin’izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; tsy nahomby azy telo lahy anefa izy. Ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba. Izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ny lavaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny. Izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nisy lefona tahaka ny voditenon’ny mpanenona teny an-tanan’ilay Ejiptiana; nefa nanatona azy tamin’ny tehiny ihany i Benaia dia nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. Izany zavatra izany no nataon’i Benaia, zanak’i Jehoiada, ary tamin’izy telo lahy mahery dia izy no nalaza. Indro, be voninahitra tamin’ny telopolo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy; ary nanendry azy ho isan’ny mpiambina manokana i Davida. Ary ny lehilahy mahery dia: I Asahela, rahalahin’i Joaba; i Elanana, zanak’i Doday, avy any Betlehema; i Samota harorita, i Heleza pelonita, Ira, zanak’Ikesy tekoita; i Abiezera anatotita, i Sibekay hosatita, i Ely ahohita, i Maharay netofatita, i Heleda, zanak’i Bana netofatita; Itahy, zanak’i Ribay avy any Gibean’ny taranak’i Benjamina; i Benaia piratonita, i Horay avy any amin’ny lohasahan-driakan’i Gaasy; i Abiela arbatita, i Azmaveta baharomita, i Eliaba salbonita, ny zanak’i Hasema gizonita, i Jonatana, zanak’i Sage hararita; i Ahiama, zanak’i Sakara hararita; i Elifala, zanak’i Ora; i Hefera mekeratita, i Ahia pelonita, i Hezro karmelita, i Naray, zanak’i Ezbay; i Joela, rahalahin’i Natana; i Mibara, zanak’i Hagry; i Zeleka amonita, i Naharay berotita, mpitondra ny fiadian’i Joaba, zanak’i Zeroia; Ira jitrita, i Gareba jitrita, i Oria hetita, i Zabada, zanak’i Ahelay; i Adina, zanak’i Siza robenita, mpifehy ny Robenita, sy ny namany telopolo lahy koa; i Hanana, zanak’i Maka; i Josafata mitnita, i Ozia astartita, i Sama sy i Jeiela, zanak’i Hotama aroerita; i Jediaela, zanak’i Simry; i Joha tizita rahalahiny, i Eliela avy any Mahava, i Jeribay sy i Josavia, zanak’i Elnama, i Jitma moabita, i Eliela sy i Obeda ary i Jasiela mezobaita. Izao avy ny olona nankany amin’i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an’i Saoly, zanak’i Kisy; izy ireo dia isan’ny lehilahy mahery mpanampy amin’ny ady sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ny Benjaminita, rahalahin’i Saoly, ireo. Ny lohany dia i Ahiezera, i Joasy, zanak’i Sema gibeatita; i Jeziela, i Peleta zanak’i Azmaveta; i Beraka, i Jeho anatotita, i Jismaia gibeonita, lehilahy mahery isan’ny telopolo lahy sady mpifehy ny telopolo lahy; i Jeremia, i Jahaziela, i Johanana, i Jozabada gaderatita, i Elozay, i Jerimota, i Bealia, i Semaria, i Sefatia harofita, i Elkana, i Jisia, i Azarela, i Joezera, i Jasobeama koraìta, i Joela, i Zebadia, zanak’i Jerohama avy any Gedora. Tamin’ny Gadita dia nisy lehilahy mahery nisintaka tamin’ny namany ka nanatona an’i Davida ho any amin’ny fialofana any an-tendrombohitra; miaramila nahay niady izy ireo ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ny liona, ary haingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy. I Ezera no voalohany, i Obadia no faharoa, i Eliaba no fahatelo, i Mismana no fahefatra, i Jeremia no fahadimy, i Atahy no fahenina, i Eliela no fahafito, i Johanana no fahavalo, i Elizabada no fahasivy, i Jeremia no fahafolo ary i Makbanay no fahiraika amby folo. Ireo no isan’ny taranak’i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra dia naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra dia naharesy olona arivo. Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony nihoatra ny morony rehetra io; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. Nisy tamin’ny taranak’i Benjamina sy Joda nankany amin’i Davida tany amin’ny fialofana. Nandeha hitsena azy i Davida ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no iavianareo atỳ amiko hanampy ahy dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy ho azon’ny fahavaloko kosa ianareo, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany. Dia nampitenenin’ny Fanahy i Amasay, lehiben’ny mpanafika malaza hoe: Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanak’i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao! Ary fiadanana anie ho an’ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila. Ary nisy sasany tamin’ny Manase nifindra ka nanatona an’i Davida fony izy nomba ny Filistina hiady amin’i Saoly, kanefa tsy nanampy ny Filistina akory izy ireo; fa nifampila hevitra ireo andrianan’ny Filistina dia nampandehaniny i Davida ka nilaza hoe: Ny lohantsika no hoentiny mila sitraka hiverenany amin’i Saoly tompony. Rehefa nankany Ziklaga i Davida dia nisy tamin’ny Manase nanatona azy, dia i Adna, i Jozabada, i Jediaela, i Mikaela, i Jozabada, i Eliho ary i Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ny Manase. Izy ireo dia nanampy an’i Davida hamely ny mpanafika; fa lehilahy mahery avokoa izy ireo sady mpitari-tafika. Tamin’izany dia nisy nankany amin’i Davida isanandro isanandro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’Andriamanitra. Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO: Tamin’ny taranak’i Joda dia valonjato sy enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady. Tamin’ny taranak’i Simeona dia zato sy fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny ady. Tamin’ny taranak’i Levy dia eninjato sy efatra arivo. I Jehoiada, lehiben’ny Aronita, dia nisy fitonjato sy telo arivo niaraka taminy; i Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia mpifehy roa amby roapolo lahy. Tamin’ny taranak’i Benjamina, havan’i Saoly, dia telo arivo; fa hatramin’izany ny ankamaroany dia mbola nanao fanompoana tao an-tranon’i Saoly ihany. Tamin’ny taranak’i Efraima dia valonjato sy roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ny fianakaviany avy. Tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia valo arivo sy iray alina izay notononina anarana no avy hampanjaka an’i Davida. Tamin’ny taranak’Isakara dia roanjato no lehibeny; samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahafantatra izay tokony hataon’ny Israely, ary ny rahalahiny rehetra dia nanaraka ny teniny. Tamin’ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ny fiadiana samihafa rehetra, dia dimy alina, izay nahay niray hina nilahatra tsara. Tamin’ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo sy telo alina amin’ampinga lehibe sy lefona. Tamin’ny Danita dia eninjato sy valo arivo sy roa alina izay voalahatra hiady. Tamin’ny Asera dia efatra alina izay azo nalefa hanafika sady vonona hiady. Ary avy tany andafin’i Jordana, tamin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nisy roa alina sy iray hetsy nitana fiadiana isan-karazany. Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’i Davida amin’ny Israely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ny Israely koa dia niray fo hampanjaka an’i Davida. Tao amin’i Davida hateloana izy ireo sady nihinana sy nisotro, fa efa nanomana nahandro ho azy ny rahalahiny. Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samihafa noentin’ny boriky sy rameva ary ampondra sy omby, dia koba, mofo aviavy, voaloboka maina, divay, diloilo ary omby sy ondry aman’osy betsaka koa, fa nisy fifaliana tamin’ny Israely. Naka saina tamin’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra i Davida ka hoy izy tamin’ny Israely rehetra izay tafangona: Raha heverinareo fa mety, sady avy amin’NY TOMPO Andriamanitsika izany, dia andeha isika handefa iraka haingana any amin’ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ny tanin’ny Israely rehetra ary amin’ny mpisorona sy ny levita koa, izay any amin’ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika. Ary aoka haverintsika atỳ amintsika indray ny vata misy ny faneken’Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika izy io tamin’ny andron’i Saoly. Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanatanteraka izany, satria marina teo imason’ny olona rehetra izany. Dia novorin’i Davida ny Israely rehetra hatrany Sihora any Ejipta ka hatrany akaikin’i Hamata haka ny vata misy ny faneken’Andriamanitra avy any Kiriata-Jearima. Dia niakatra hankany Baala i Davida sy ny Israely rehetra, any Joda any Kiriata-Jearima izany, hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitra, izay mipetraka amin’ny kerobima, ilay iantsoana ny anarany. Ary noentiny tamin’ny sarety vaovao niala tao an-tranon’i Abinadaba ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. I Oza sy i Ahio no nampandeha ny sarety. I Davida sy ny Israely rehetra kosa dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny hira, ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny kipantsona ary ny trompetra. Nony tonga teo amin’ny famoloan’i Kidona izy dia nanatsotra ny tanany hihazona ny vata misy ny Fanekena i Oza, satria nibolasitra ny omby. Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy Izy noho ny nanatsorany ny tanany tamin’ny vata misy ny Fanekena. Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Oza. Nalahelo i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza no anaran’izany toerana izany mandraka androany. Ary natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Amin’ny fomba ahoana no hitondrako ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ho atỳ amiko? Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny Fanekena fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita. Ary nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obeda-Edoma tao an-tranony ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; dia notahin’NY TOMPO ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay rehetra nananany. Ary nandefa iraka tany amin’i Davida i Hirama, mpanjakan’i Tiro, sady nampanatitra hazo sedera ho azy no nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano koa. Dia fantatr’i Davida fa NY TOMPO efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Israely ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Israely olony. Nampaka-bady tany Jerosalema indray i Davida ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ireto no anaran’ny zanany naterany tany Jerosalema: I Samoa, i Sobaba, i Natana, i Solomona, i Jibara, i Elisoa, i Elipeleta, i Noga, i Nafega, i Jafia, i Elisama, i Beliada ary i Elifeleta. Nony ren’ny Filistina fa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely rehetra i Davida dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’i Davida izany dia nivoaka hiady taminy izy. Dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaìta. Ary nanontany an’Andriamanitra i Davida hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy NY TOMPO taminy: Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy. Dia niakatra nankao Baala-Perazima i Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’io tany io hoe Baala-Perazima. Dia nilaozan’ireny teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo. Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha. Dia nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliny hoe: Aza manenjika azy; fa mivilia lalana manodidina azy; dia mandehana fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ny tandrifin’ny hazo balisama. Rehefa mandre fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina. Dia nanatanteraka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida ka namely ny miaramilan’ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gezera. Niely teny amin’ny tany rehetra ny lazan’i Davida; ary nataon’NY TOMPO nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida. I Davida dia nanao trano ho azy tao an-Tanànan’i Davida sady nanamboatra fitoerana sy nanorina tranolay ho an’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Tamin’izay dia hoy i Davida: Tsy misy tokony hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra afa-tsy ny levita ihany, satria izy no efa nofidin’NY TOMPO hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakariva. Dia novorin’i Davida tany Jerosalema ny Israely rehetra hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ho any amin’ny toerana izay namboariny ho azy. Ary novorin’i Davida ny taranak’i Arona sy ny levita: Tamin’ny taranak’i Kehata dia i Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roapolo amby zato; tamin’ny taranak’i Merary dia i Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roapolo sy roanjato; tamin’ny taranak’i Gersoma dia i Joela lehibeny sy ny rahalahiny telopolo amby zato; tamin’ny taranak’i Elizafana dia i Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roanjato; tamin’ny taranak’i Hebrona dia i Eliela lehibeny sy ny rahalahiny valopolo; tamin’ny taranak’i Oziela dia i Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa amby folo amby zato. Ary i Davida niantso an’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona ary ny levita, dia i Oriela, i Asaia, i Joela, i Semaia, i Eliela ary i Aminadaba, ka niteny tamin’ireo hoe: Ianareo lohan’ny fianakavian’ny levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampiakaranareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho ao amin’ilay toerana namboariko ho azy. Satria tsy ianareo no nampiakatra azy tamin’ny voalohany, dia nasian’NY TOMPO Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny fomba tokony harahina. Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Ary nilanja ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’ny bao hazo teny an-tsorony ny levita, fa izany no nandidian’i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO. Ary ireo lehiben’ny levita dia nasain’i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra zavamaneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ny fifaliana. Dia notendren’ny levita i Hemana, zanak’i Joela; tamin’ny rahalahiny dia i Asafa, zanak’i Berekia; tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia i Etana, zanak’i Kosaia; naman’ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramota, i Jehiela, i Ony, i Eliaba, i Benaia, i Mahaseia, i Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma ary i Jeiela, mpiandry varavarana. I Hemana sy i Asafa ary i Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina. I Zakaria, i Aziela, i Semiramota, i Jehiela, i Ony, i Eliaba, i Mahaseia ary i Benaia no nasaina nitendry valiha tamin’ny alamota. I Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma, i Jeiela ary i Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ny seminita ho fitarihana ny hira. I Kenania, lehiben’ny levita, no tonian’ny fitondrana entana; nampianatra ny fitondrana entana izy satria hainy izany. I Berekia sy i Elikana no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena. I Sebania, i Josafata, i Netanela, i Amasay, i Zakaria, i Benaia ary i Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; i Obeda-Edoma sy i Jehia kosa no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena. I Davida sy ny loholon’ny Israely mbamin’ny mpifehy arivo no nandeha hampiakatra amim-pifaliana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma. Rehefa nomban’Andriamanitra ny levita izay nilanja ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ho fanatitra izy. Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda rongony fotsy koa i Davida. Toy izany no nampiakaran’ny Israely rehetra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tamin’ny fihobiana, ny feon’ny anjomara, ny trompetra, ny kipantsona ary tamin’ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga. Nony tonga tao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; dia naneso azy mafy tao am-pony izy. Nampiditra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ny tranolay izay naorin’i Davida ho azy; avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra izy. Nony voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny olona tamin’ny anaran’NY TOMPO izy. Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary mofo voaloboka ho an’ny Israely rehetra, na lahy na vavy, izy. Notendren’i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny levita sasany mba hankalaza sy hisaotra ary hidera NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: I Asafa no lehibeny, i Zakaria no nanarakaraka. I Jeiela, i Semiramota, i Jehiela, i Matitia, i Eliaba, i Benaia, i Obeda-Edoma ary i Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nampaneno ny kipantsona. I Benaia sy i Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka mandrakariva ny trompetra eo anoloan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Tamin’izay andro izay no voalohan’ny nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny rahalahiny hidera NY TOMPO. Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany! Ampahafantaro ny firenena ny asany! Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony! Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO! Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany! Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany, ianareo taranak’Israely mpanompony, ianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba! NY TOMPO, Izy no Andriamanitsika; manerana ny tany rehetra ny fitsarany. Tsarovy mandrakizay ny fanekeny, dia ilay teny nomeny ho an’ny taranaka arivo mandimby, eny, ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka; izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’Israely ka nilazany hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voarefy tsara. Tamin’izay dia mbola olom-bitsy ianareo, eny, vitsy sady vahiny tao; nifindrafindra tany amin’ny firenena sy nifindrafindra fanjakana tany amin’ny firenen-kafa; tsy nisy navelany hampahory azy anefa, fa nananatra mpanjaka noho ny amin’ireo Izy hoe: Aza mikasika ireo Voahosotro, ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko! Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Lazao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny! Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony! Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra. Ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa NY TOMPO no nanao ny lanitra. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany. Ry firenena, manomeza an’NY TOMPO, eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO! Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Manolora fanatitra ka mankanesa eo anatrehany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina! Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra! Izao rehetra izao dia voaorina ka tsy hihetsika. Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany! Aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: NY TOMPO no Mpanjaka! Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy! Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy! Dia hihoby eo anatrehan’NY TOMPO amin’izay koa ny hazo any an’ala! Fa avy hitsara ny tany Izy. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony! Ary mitenena hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, angony izahay ka afaho amin’ny Jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina ka ho reharehanay ny fiderana Anao! Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra dia niteny hoe: Amena! Sady nidera NY TOMPO. I Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’i Davida teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isanandro. I Obeda-Edoma, zanak’i Jedotona sy ny rahalahiny valo amby enimpolo ary i Hosa kosa dia ho mpiandry varavarana. I Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany ho eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO teo amin’ny toerana fanaovana sorona any Gibeona. Izy ireo dia hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, izay nomeny ny Israely. Naman’ireo koa i Hemana sy i Jedotona ary ny sisa amin’ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony! Tao amin’i Hemana sy i Jedotona dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina; tao koa ireo karazavan-javamaneno hanaraka ny hira ho an’Andriamanitra. Ny zanak’i Jedotona no mpiandry varavarana. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra ary lasa nody koa i Davida mba hitsodrano ny ankohonany. Rehefa tafapetraka tao an-tranony i Davida dia niteny tamin’i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho, mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO kosa dia mitoetra ao anaty tranolay! Ary hoy i Natana tamin’i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. Nefa tamin’ny alin’iny ihany dia tonga tamin’i Natana ny tenin’Andriamanitra hoe: Andeha, lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tsy ianao no hanao trano hitoerako; fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Israely niakatra ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana. Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo? Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no naka anao tany an-tsaha, avy tamin’izay niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Israely oloko. Nomba anao tamin’izay rehetra nalehanao Aho ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra ary homeko anarana tahaka ny anaran’izay lehibe ambonin’ny tany ianao. Hifidy tany ho an’ny Israely oloko Aho sady hamponina azy; dia handry fehizay amin’ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary tsy hampahory azy intsony ny ratsy fanahy, toy ny tany aloha sy tahaka ny hatramin’ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa NY TOMPO hanao trano ho anao. Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao dia hatsangako handimby anao ny iray amin’ny taranakao, izay isan’ny terakao, ary hampitoeriko mafy ny fanjakany. Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay. Izaho ho rainy, ary ho zanako izy; tsy hanaisotra ny famindrampoko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin’ilay talohanao. Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay izy; ary ho tafaorina mandrakizay ny sezafiandrianany. Araka izany teny rehetra izany sy araka io fahitana io no nolazain’i Natana tamin’i Davida. Ary niditra i Davida mpanjaka ka nipetraka teo anatrehan’NY TOMPO, dia niteny hoe: Zinona moa aho, RY TOMPO Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny fianakaviako no noentinao eto amin’izao toerana izao aho? Mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’izay mbola any aoriana lavitra aza ary mijery ahy toy ny olona ambony Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô! Inona intsony no holazain’i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? Fa Ianao no mahafantatra ny mpanomponao. TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao? Andriamanitra mihitsy no nandeha nanavotra azy ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta. Fa nofidinao ho olonao mandrakizay ny Israely olonao, ary Ianao, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny. Ankehitriny, TOMPO ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao. Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no Andriamanitra ho an’ny Israely; dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao. Fa Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanao trano ho azy. Koa izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao. Noho izany, TOMPO ô, satria Ianao no Andriamanitra, ary Ianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ny mpanomponao, dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, TOMPO ô, dia voatahy mandrakizay. Taorianan’izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy, ary i Gata sy ny vohitra miankina aminy dia nesoriny tamin’ny tanan’ny Filistina. Nandresy ny Moabita koa izy ka tonga mpanompon’i Davida nandoa hetra ireo. Dia resin’i Davida koa i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba akaikin’i Hamata, tamin’izy nandeha nampiorina ny fanjakany tany amoron’ny ony Eofrata. I Davida dia nahazo babo kalesy arivo fitondra miady taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila mandeha an-tongotra roa alina; notraingotraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy fitondra miady rehetra, fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato fitondra miady ihany no navelany. Nony tonga hanampy an’i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba, ny Arameana avy any Damaskosy, dia nahafatesan’i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Arameana. Nisy mpifehy namponenin’i Davida tany Arama any Damaskosy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Arameana ka nandoa hetra. Fa NY TOMPO nampahazo fandresena an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany. Ary nalain’i Davida ny ampinga volamena teny amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka noentiny nankany Jerosalema. Tao Tibata sy Kona, tanànan’i Hadadezera, no nahazoan’i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’i Solomona ilay koveta varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina. Nony ren’i Toy, mpanjakan’i Hamata, fa naharesy ny miaramila rehetra an’i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba, i Davida, dia naniraka an’i Hadorama zanany hankany amin’i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy; fa i Hadadezera dia fahavalon’i Toy. Nohamasinin’i Davida mpanjaka ho an’NY TOMPO koa izany mbamin’ny volafotsy sy ny volamena noentiny avy tamin’ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba, tany amin’ny taranak’i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita. Naharesy ny Edomita izay nisy valo arivo sy iray alina teo amin’ny Lohasahantsira i Abisay, zanak’i Zeroia. Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Edomita rehetra. Fa NY TOMPO nampandresy an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany. Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana. I Joaba, zanak’i Zeroia, no lehiben’ny miaramila; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; i Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy i Abimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary i Saosa no mpitantsoratra; ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay akaiky ny mpanjaka. Tatỳ aoriana dia maty i Nahasy, mpanjakan’ny taranak’i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy. Dia hoy i Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ny rainy tamiko. Ary nandefa iraka hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny rainy i Davida. Dia tonga tany amin’i Hanona tany amin’ny tanin’ny Amonita ny mpanompon’i Davida hitsapa alahelo azy. Hoy anefa ireo mpanapaka ny taranak’i Amona tamin’i Hanona: Moa heverinao ho fanajana ny rainao no anirahan’i Davida hitsapa alahelo anao? Moa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan’ireo mpanompony ireo atỳ aminao? Dia nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida ka noharatany sady notapahiny hatreo amin’ny foto-peny ny akanjony dia nalefany hody avy eo. Nisy lasa nanambara tamin’i Davida izay natao tamin’ireo lehilahy ireo; dia nandefa iraka izy hitsena azy ireo fa afa-baraka loatra izy ireo; dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, aorianan’izay vao mody ianareo. Nony hitan’ny taranak’i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’i Davida izy dia nandefa iraka hanatitra talenta volafotsy arivo hanakaramany kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly avy any Mezopotamia sy Arama-Maka ary Zoba i Hanona sy ny taranak’i Amona. Dia nanakarama kalesy fitondra miady roa arivo sy telo alina mbamin’ny mpanjakan’i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’i Medeba. Dia nivory ny taranak’i Amona izay niala tany amin’ny tanànany avy ka tamy hiady. Nony ren’i Davida izany dia naniraka an’i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery. Nandeha nilahatra hiady teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna ny taranak’i Amona, fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha. Rehefa hitan’i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo dia nifidy olona tamin’ireo voafantina tamin’ny Israely rehetra izy ka nalahany hiady tamin’ny Arameana. Ny olona sisa kosa dia nomeny hoentin’i Abisay rahalahiny, dia nilahatra hiady amin’ny taranak’i Amona ireo. Ary hoy i Joaba: Raha tsy tohako ny Arameana dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’i Amona dia hovonjeko ianao. Mahereza, ary aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika, dia aoka NY TOMPO hanao izay sitrapony. Dia nandroso hiady tamin’ny Arameana i Joaba sy ny olona nanaraka azy; koa vaky nandositra niala teo anoloany ireo. Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Arameana dia mba nandositra niala teo anoloan’i Abisay, rahalahin’i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Dia niverina tany Jerosalema i Joaba. Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nandefa iraka izy haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata, ary i Sobaka, lehiben’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy. Nony nambara tamin’i Davida izany dia namory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Nony nilahatra hiady amin’ny Arameana i Davida dia niady taminy ireo. Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana ka nahafaty fito arivo teo amin’ny kalesy fitondrany miady sy miaramila mandeha an-tongotra efatra alina tamin’ny Arameana i Davida; ary matiny koa i Sobaka, lehiben’ny miaramila. Nony hitan’ireo mpanompon’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’i Amona intsony ny Arameana. Rehefa niherina ny taona ka tonga amin’ny andro fandehanan’ny mpanjaka hiady dia nitondra ny miaramila rehetra i Joaba ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amona. Dia tonga izy ka nanao fahirano an’i Raba. I Davida kosa dia nijanona tany Jerosalema ihany. Nahazo an’i Raba i Joaba ka nandrava azy. Dia nesorin’i Davida ny satroboninahitra teo an-dohan’ny mpanjakany ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany sady nisy vatosoa; dia nisatrohan’i Davida izany. Navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be. Navoakany koa ny olona izay tao ka nasainy niasa tamin’ny tsofa sy tamin’ny ragiragy lehibe ary ny famaky; toy izany no nataon’i Davida tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra. Tatỳ aoriana dia nisy ady tamin’ny Filistina tao Gezera; tamin’izany no namonoan’i Sibekay hosatita an’i Sipay, izay isan’ny taranaky ny Refaìta, dia naetriny ny Filistina. Nisy ady indray tamin’ny Filistina, ary i Elanana, zanak’i Jaira, dia namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona. Nisy ady indray tao Gata; ary tao dia nisy lehilahy goavana izay enin-drantsana, efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony; ary izy koa dia isan’ny taranaky ny Refaìta. Ary nony nihantsy ny Israely izy dia nahafaty azy i Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida. Ireo no taranaky ny Refaìta tao Gata; matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony ireo. Nitsangana hampidi-doza tamin’ny Israely i Satana ka nanome saina an’i Davida hanisa ny Israely. Dia hoy i Davida tamin’i Joaba sy tamin’ireo lehiben’ny vahoaka: Mandehana, isao ny Israely hatrany Bery-Sheba ka hatrany Dana; dia ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro. Fa hoy i Joaba: NY TOMPO anie hampitombo ny olony ho injato toy izao, na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana izany zavatra izany no hitondra heloka ho an’ny Israely? Tsy azon’i Joaba nolavina anefa ny tenin’ny mpanjaka; koa niainga izy ka nitety ny Israely rehetra ary tonga tany Jerosalema indray. Dia natolotr’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voalamina ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Israely; fito alina sy efatra hetsy kosa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Joda. Fa tsy mba nalaminy ny Levy sy ny Benjamina, satria fahavetavetana tamin’i Joaba ny tenin’ny mpanjaka. Ary tsy sitrak’Andriamanitra izany zavatra izany ka namely ny Israely Izy. Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Efa nanota be aho tamin’izao nataoko izao! Koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao hadalana lehibe tokoa aho. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Gada mpahitan’i Davida: Mandehana ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. Ary nankany amin’i Davida i Gada ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Anao ny safidy. Mosary telo taona va, sa fandringanana eo alohan’ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao, sa ny sabatry NY TOMPO, dia areti-mandringana no hamely ny tany hateloana ka ilay Anjelin’NY TOMPO no handringana manerana ny tanin’ny Israely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny hoentiko miverina any amin’izay naniraka ahy. Ary hoy i Davida tamin’i Gada: Tery loatra aho! Nefa aleoko ho azon’ny tanan’NY TOMPO, fa lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona. Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely ka nahafatesana fito alina. Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; nefa raha ilay mbola nandrava iny Izy dia nijery NY TOMPO ka nanenina ny amin’ny loza ka niteny tamin’ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo amin’izay ny tananao. Ary nitsangana teo anilan’ny famoloan’i Ornana jebosita ilay Anjelin’NY TOMPO. Nanopy ny masony i Davida ka nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholon’ny Israely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana. Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izay ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, RY TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakavian’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny areti-mandringana. Ary nasain’ilay Anjelin’NY TOMPO hilaza amin’i Davida i Gada mba hiakatra hanorina alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Ornana jebosita. Dia niakatra i Davida araka ny tenin’i Gada, izay nolazainy tamin’ny anaran’NY TOMPO. Ary niherika i Ornana ka nahita ilay Anjely; ny zanany efa-dahy izay teo aminy tamin’io dia lasa niery. I Ornana tamin’izay dia nanosihosy vary tao. Nony tonga teo amin’i Ornana i Davida dia nijery i Ornana ka nahita an’i Davida, ary niala avy teo amin’ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida. Ary hoy i Davida tamin’i Ornana: Mba omeo ahy amin’izay tokony ho vidiny ity famoloana ity mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO; omeo ahy izany mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka. Fa hoy i Ornana tamin’i Davida: Ento ary ho anao ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana manontolo, ny fivelezam-bary ho kitay ary ny varimbazaha ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; foiko avokoa izy rehetra. Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana. Dia nomen’i Davida volamena milanja sekela eninjato i Ornana ho vidin’ny tany. Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana; dia niantso NY TOMPO izy ka novaliny tamin’ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo. Ary NY TOMPO niteny tamin’ilay Anjely, dia nampidiriny tamin’ny tranony ny sabany. Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa novalin’NY TOMPO teo amin’ny famoloan’i Ornana jebosita izy dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy. Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany; nefa tsy nahazo nankeo anoloan’izany hanontany amin’Andriamanitra i Davida; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ilay Anjelin’NY TOMPO. Dia hoy i Davida: Eto no ho tranon’NY TOMPO Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny Israely. Ary nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ny tanin’ny Israely ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra. Nahavonona vy betsaka hatao hombon’ny lela vavahady sy ny fikambanany i Davida ary nahavory varahina betsaka tsy hita lanja sy hazo sedera tsy hita isa koa; fa ny mponina tany Sidona sy Tiro dia nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’i Davida. Fa hoy i Davida: Mbola zaza sady tanora fanahy i Solomona zanako, ary ny trano hatao ho an’NY TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hataoko vonona rahateo ny zavatra hoenti-manao azy. Dia nahavonona betsaka i Davida raha mbola velona. Niantso an’i Solomona zanany izy ka nandidy azy hanao trano ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ary niteny taminy hoe: Anaka, efa tato am-poko ny hanao trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro. Nisy tenin’NY TOMPO anefa tonga tamiko hoe: Be ny ra efa nalatsakao ary ady lehibe maro no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an’ny anarako ianao satria be ny ra efa nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko. Fa indro, ianao dia hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko; tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; hampiadaniko sy hampandriako fehizay ny Israely amin’ny androny. Izy no hanao trano ho an’ny anarako; ho zanako izy, ary ho rainy Aho, ary hampitoeriko amin’ny Israely mandrakizay ny sezafiandrianan’ny fanjakany. Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie NY TOMPO ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy anao. Homen’NY TOMPO saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpitondra ny Israely, mba hitandremanao ny lalànan’NY TOMPO Andriamanitrao. Ary amin’izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. Eny, fa na dia be fahoriana aza aho dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja hoenti-manao ny tranon’NY TOMPO; efa nahavonona hazo sy vato koa aho; koa ampionao kosa ireo. Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato ary mpandrafitra sy olona mahay ny asa samihafa rehetra. Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao ka atsangano izany, ary homba anao anie NY TOMPO. Ary nandidy ny lehibe rehetra tamin’ny Israely i Davida mba hanampy an’i Solomona zanany ka hoy izy: Tsy momba anareo va NY TOMPO Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ny tany; ary ny tany dia efa resy teo anoloan’NY TOMPO sy teo anoloan’ny olony. Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO. Nony efa ela niainana sy tratra antitra tsara i Davida dia i Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ny Israely. Novoriny ny lehiben’ny Israely rehetra mbamin’ny mpisorona sy ny levita. Dia nisaina ny levita hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka valo arivo sy telo alina no isan’ny lehilahy. Ary hoy Davida: Ataoko ho tonian’ny asa ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny efatra arivo sy roa alina amin’ireo, ataoko mpifehy sy mpitsara ny enina arivo, ho mpiandry varavarana ny efatra arivo, ary ho mpidera NY TOMPO amin’ny zavatra namboariko hiderana Azy ny efatra arivo. Nozarazarain’i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’i Levy, dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary: Tamin’ny Gersonita dia i Ladana sy i Simey. Ny zanakalahin’i Ladana dia i Jehiela no lohany, ny manarakaraka azy dia i Zetama sy i Joela; telo izy ireo. Ny zanakalahin’i Simey dia i Selomota sy i Haziela ary i Harana; telo izy ireo. Ireo no lohany tamin’ny fianakavian’i Ladana. Ny zanakalahin’i Simey dia i Jahata, i Zina, i Jeosy ary i Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’i Simey. I Jahata no voalohany, ary i Ziza no faharoa; fa i Jeosy sy i Beria dia tsy nanana zanakalahy maro, koa nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy. Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela; efatra izy ireo. Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay. Nefa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia nisaina tamin’ny fokon’i Levy ihany ny zanany. Ny zanakalahin’i Mosesy dia i Gersona sy i Eliezera. Tamin’ny zanakalahin’i Gersoma dia i Seboela no lohany. Tamin’ny zanakalahin’i Eliezera dia i Rehabia no lohany, i Eliezera anefa dia tsy nanan-janaka hafa; fa ny zanak’i Rehabia dia maro indrindra. Tamin’ny zanakalahin’i Jizara dia i Selomota no lohany. Ny zanakalahin’i Hebrona, dia i Jeria no lahimatoa, i Amaria no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo, ary i Jekameama no faralahy. Ny zanakalahin’i Oziela dia i Mika no lahimatoa ary i Jisia no faralahy. Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Ny zanakalahin’i Maly dia i Eleazara sy i Kisy. Ary maty i Eleazara nefa tsy nanan-janakalahy fa vavy avokoa; ny zanakalahin’i Kisy havany no nanambady azy ireo. Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jeremota; telo izy ireo. Ireo no zanakalahin’i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra. Fa hoy i Davida: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, efa nanome fitsaharana ho an’ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay. Ary ny levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony. Fa araka ny faratenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny levita. Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’i Arona amin’ny fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO, amin’ireo kianja sy efitrano ary amin’ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra, amin’ny mofo atao fanatitra sy ny koba tsara toto ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, amin’ny mofo manify tsy misy masirasira, amin’izay endasina amin’ny lapoaly, amin’izay mofo hafa karazana, ny amin’ny famarana sy ny fandrefesana rehetra, ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera NY TOMPO, ary toy izany koa amin’ny hariva, ary ny hanolotra ny fanatitra dorana manontolo rehetra ho an’NY TOMPO, na amin’ny Sabata, na amin’ny voaloham-bolana, na amin’ny fotoam-pivavahana hafa, dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO. Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara raharahany ny amin’ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ny amin’ny taranak’i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. I Nadaba sy i Abiho dia maty talohan’ny rainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia i Eleazara sy Itamara no nanao raharaha fisoronana. I Davida sy i Zadoka, isan’ny taranak’i Eleazara, sy i Ahimeleka, isan’ny taranak’Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy. Tamin’ny taranak’i Eleazara dia maromaro kokoa ny lohan’ny fianakaviana noho ny tamin’ny taranak’Itamara ka nozarainy toy izao izy: Tamin’ny taranak’i Eleazara dia enina amby folo no lohan’ny fianakaviana; ary tamin’ny taranak’Itamara dia valo kosa no lohan’ny fianakaviana. Samy nozarazaraina tamin’ny antsapaka avokoa izy rehetra; fa samy mpitandrina ny zava-masina, dia mpitandrina voatendry ho an’Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ny taranak’i Eleazara, na ny avy tamin’ny taranak’Itamara. I Semaia, zanak’i Netanela, mpitantsoratra iray tamin’ny levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ny mpanjaka, ny mpanapaka, i Zadoka mpisorona, i Ahimeleka, zanak’i Abiatara ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny levita. Fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa dia ho an’Itamara. Ny antsapaka voalohany dia azon’i Joariba, ny faharoa dia an’i Jedaia, ny fahatelo dia an’i Harima, ny fahefatra dia an’i Seorima, ny fahadimy dia an’i Malkia, ny fahenina dia an’i Miamina, ny fahafito dia an’i Koza, ny fahavalo dia an’i Abia, ny fahasivy dia an’i Jesoa, ny fahafolo dia an’i Sekania, ny fahiraika amby folo dia an’i Eliasiba, ny faharoa amby folo dia an’i Jakima, ny fahatelo amby folo dia an’i Hopa, ny fahefatra amby folo dia an’i Jesebaba, ny fahadimy amby folo dia an’i Bilga, ny fahenina amby folo dia an’Imera, ny fahafito amby folo dia an’i Hezira, ny fahavalo amby folo dia an’i Hapizeza, ny fahasivy amby folo dia an’i Petahia, ny faharoapolo dia an’i Jehezekela, ny fahiraika amby roapolo dia an’i Jakina, ny faharoa amby roapolo dia an’i Gamola, ny fahatelo amby roapolo dia an’i Delaia, ny fahefatra amby roapolo dia an’i Mazia. Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy. Tamin’ny taranak’i Levy sisa dia izao: Tamin’ny taranak’i Amrama dia i Sobaela; tamin’ny zanak’i Sobaela dia i Jedaia. Ny amin’i Rehabia: Tamin’ny taranak’i Rehabia dia i Jisia no voalohany. Tamin’ny Jizarita dia i Selomota; tamin’ny taranak’i Selomota dia i Jahata. Ny amin’ny taranak’i Hebrona dia i Jeria no voalohany, i Amaria no faharoa, i Jahaziela no fahatelo, i Jekameama no fahefatra. Ny zanakalahin’i Oziela dia i Mika; tamin’ny taranak’i Mika dia i Samira; ny rahalahin’i Mika dia i Jisia; tamin’ny taranak’i Jisia dia i Zakaria. Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy; ny zanakalahin’i Jazia dia i Beno. Ny zanakalahin’i Merary tamin’i Jazia dia i Beno, i Sohama, i Zakora ary Ibry. Avy tamin’i Maly no niavian’i Eleazara izay tsy nanan-janakalahy. Ny amin’i Kisy, ny zanany lahy dia i Jeramela. Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jerimota. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy. Ary ireo dia mba nanao antsapaka tahaka ireo rahalahiny, taranak’i Arona, teo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Zadoka ary i Ahimeleka sy ny lohan’ny fianakavian’ny mpisorona ary ny levita: Nanao antsapaka avokoa na ny zokiny na ny zandriny. Ny taranak’i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo lehiben’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona. Izao no isan’ny mpanao raharaha araka ny fanompoany avy: Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia i Zakora, i Josefa, i Netania ary i Asarela, zanak’i Asafa, notarihin’i Asafa, izay naminany araka izay nitarihan’ny mpanjaka azy. Tamin’i Jedotona, ny zanany dia i Gedalia, i Zery, i Jesaia, i Hasabia ary i Matitia; enin-dahy ireo ka notarihin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra NY TOMPO. Tamin’i Hemana, ny zanany dia i Bokia, i Matania, i Oziela, i Seboela, i Jerimota, i Hanania, i Hanany, i Eliata, i Gidalty, i Romamty-Ezera, i Josbekasa, i Maloty, i Hotira ary i Mahaziota. Ireo rehetra ireo no zanak’i Hemana, mpahitan’ny mpanjaka ny amin’ny tenin’Andriamanitra, natao hanandratra ny tandroka. Ary i Hemana dia efa nomen’Andriamanitra zazalahy efatra amby folo sy zazavavy telo. Ireo rehetra ireo no teo ambany fitarihan’ny rainy tamin’ny hira natao tao amin’ny tranon’NY TOMPO, tamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra. I Asafa sy i Jedotona ary i Hemana dia teo ambany fitarihan’ny mpanjaka. Ny isan’izy ireo, miaraka amin’ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’NY TOMPO ka tonga lafatra ny fahaizany azy, dia valo amby valopolo sy roanjato. Nanao antsapaka ny amin’ny anjara raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. Ny antsapaka voalohany dia azon’i Josefa avy amin’ny taranak’i Asafa; ny faharoa dia an’i Gedalia, izy mbamin’ny rahalahiny sy ny zanany: Roa amby folo; ny fahatelo dia an’i Zakora, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahefatra dia an’i Jizry, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahadimy dia an’i Netania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahenina dia an’i Bokia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahafito dia an’i Jesarela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahavalo dia an’i Jesaia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahasivy dia an’i Matania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahafolo dia an’i Simey, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahiraika amby folo dia an’i Azarela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny faharoa amby folo dia an’i Hasabia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahatelo amby folo dia an’i Sobaela, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahefatra amby folo dia an’i Matitia, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahadimy amby folo dia an’i Jeremota, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahenina amby folo dia an’i Hanania, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahafito amby folo dia an’i Josbekasa, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahavalo amby folo dia an’i Hanany, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahasivy amby folo dia an’i Maloty, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny faharoapolo dia an’i Eliata, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahiraika amby roapolo dia an’i Hotira, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny faharoa amby roapolo dia an’i Gidalty, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahatelo amby roapolo dia an’i Mahaziota, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; ny fahefatra amby roapolo dia an’i Romamty-Ezera, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo. Ny antokon’ny mpiandry varavarana: Tamin’ny Koraìta dia i Meselemia, zanak’i Kore, avy tamin’ny zanak’i Asafa. Ny zanakalahin’i Meselemia dia i Zakaria, lahimatoa; i Jediaela, lahiaivo; i Zebadia, fahatelo; i Jatniela, fahefatra; i Elama, fahadimy; i Johanana, fahenina ary i Elihoenay, faralahy. Ny zanakalahin’i Obeda-Edoma dia i Semaia, lahimatoa; i Jozabada, lahiaivo; i Joa, fahatelo; i Sakara, fahefatra; i Netanela, fahadimy; i Amiela, fahenina; Isakara, fahafito ary i Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy. Ary i Semaia zanany dia niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin’ny fianakavian’ny rainy satria samy mpiady mahery. Ny zanakalahin’i Semaia dia i Otny, i Refaela, i Obeda ary i Elzabada mbamin’ireo rahalahiny, mpiady mahery, dia i Eliho sy i Semakia. Ireo rehetra ireo no avy tamin’ny zanak’i Obeda-Edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny fanompoany; roa amby enimpolo no an’i Obeda-Edoma. Nanan-janakalahy sy rahalahy valo amby folo i Meselemia; samy lehilahy mahay avokoa izy ireo. Ary i Hosa tamin’ny taranak’i Merary dia nanan-janakalahy, dia i Simry no lohany; fa izy no nataon’ny rainy ho lohany na dia tsy lahimatoa aza izy; i Hilkia, lahiaivo; i Tebalia, fahatelo ary i Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin’i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo amby folo. Ireo lehiben’ny tonian’ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara raharaha tahaka ireo rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao antsapaka avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin’ny isam-bavahady. Ny azon’i Selemia tamin’ny antsapaka dia ny ilany atsinanana. Ary natao koa ny antsapaka ho an’i Zakaria zanany izay mpanolotsaina hendry, koa ny azony dia ny ilany avaratra. An’i Obeda-Edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano fitahirizan-drakitra. An’i Sopima sy i Hosa ny andrefana mbamin’ny vavahady Saleketa, amin’ny lalana miakatra; ary feno avokoa ny toerana fiambenana. Ny atsinanana dia nisy levita enina, ny avaratra dia nisy efatra isanandro, ny atsimo dia nisy efatra isanandro, ary ny trano fitahirizan-drakitra dia nisy efa-dahy nizara ho roa avy. Tany amin’ireo trano madinika tao andrefana dia nisy efatra nanatrika ny lalana, ary roa no tao amin’ireo trano madinika. Ireo no antokon’ny mpiandry ny varavarana tamin’ny taranak’i Kora sy ny taranak’i Merary. Tamin’ny levita dia i Ahia no tonian’ny efitrano fitahirizana sy ny rakitra masina ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ny taranak’i Ladana, ilay Ladana gersonita, ireo lohan’ny fianakavian’i Ladana gersonita, dia ny Jehielita. Ny taranaky ny Jehielita, dia i Zetama sy i Joela rahalahiny, no tonian’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Tamin’ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita dia i Seboela, avy tamin’ny taranak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, no tonian’ny efitrano fitahirizana. Ny rahalahiny avy tamin’i Eliezera dia i Rehabia, zanak’i Eliezera; i Jesaia, zanak’i Rehabia; i Jorama, zanak’i Jesaia; i Zikry, zanak’i Jorama ary i Selomota, zanak’i Zikry. Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ny rakitra masina, dia izay nohamasinin’i Davida mpanjaka sy ny lohan’ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny ny lehiben’ny miaramila. Tamin’ny zavatra azony babo tamin’ny ady dia nisy nohamasininy hoenti-manamboatra ny tranon’NY TOMPO. Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy i Saoly, zanak’i Kisy ary i Abnera, zanak’i Nera sy i Joaba, zanak’i Zeroia, eny, izay rehetra nohamasininy, dia i Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. Tamin’ny Jizarita dia i Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ny raharaha ivelany amin’ny Israely ka ho mpifehy sy mpitsara. Tamin’ny Hebronita dia i Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fitonjato sy arivo, no mpifehy tamin’ny Israely tany andafy andrefan’i Jordana, mpifehy ny amin’ny raharaha rehetra ho an’NY TOMPO sy ny fanompoana ny mpanjaka. Ny Hebronita dia i Jeria no lohany. Tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana teo amin’ny Hebronita, araka ny fianakaviany avy, ka nahitana mpiady mahery tao, dia tao Jazera any Gileada. Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ny amin’ny Zanak’Israely araka ny isany, dia ny loham-pianakaviany, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’izay raharahany rehetra isan-tokony, izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo sy roa alina avy no isan’ny isan-tokony. Ny nifehy ny antoko voalohany, ho amin’ny volana voalohany, dia i Jasobeama, zanak’i Zabdiela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Isan’ny taranak’i Fareza izy sady lehiben’ny mpifehy rehetra tamin’ny tafika amin’ny volana voalohany. Ny nifehy ny antokony ho amin’ny volana faharoa dia i Doday ahohita; i Miklota andriandahy no isan’ny antokony; ny antokon’ny Ahohita dia efatra arivo sy roa alina. Ny lehiben’ny antokony fahatelo tamin’ny tafika, ho amin’ny volana fahatelo, dia i Benaia, zanak’i Jehoiada mpisorona; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin’izy telopolo lahy; i Amizabada zanany no isan’ny antokony. Ny fahefatra, ho amin’ny volana fahefatra, dia i Asahela, rahalahin’i Joaba, ary i Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny fahadimy, ho amin’ny volana fahadimy, dia i Samihota jizraita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny fahenina, ho amin’ny volana fahenina, dia Ira, zanak’Ikesy tekoita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny fahafito, ho amin’ny volana fahafito, dia i Heleza pelonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny fahavalo, ho amin’ny volana fahavalo, dia i Sibekay hosatita, isan’ny Zerita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny fahasivy, ho amin’ny volana fahasivy, dia i Abiezera anatotita, isan’ny Benjaminita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny fahafolo, ho amin’ny volana fahafolo, dia i Maharay netofatita, isan’ny Zarita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny fahiraika amby folo, ho amin’ny volana fahiraika amby folo, dia i Benaia piratonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Ny faharoa amby folo, ho amin’ny volana faharoa amby folo, dia i Helday netofatita, isan’ny taranak’i Otniela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. Izao no lohan’ireo fokon’ny Israely: Tamin’ny Robenita dia i Eliezera, zanakalahin’i Zikry; tamin’ny Simeonita dia i Sefatia, zanakalahin’i Maka; tamin’ny levita dia i Hasabia, zanakalahin’i Kemoela; tamin’ny Aronita dia i Zadoka; tamin’ny Joda dia i Eliho, izay isan’ny rahalahin’i Davida; tamin’ny Isakara dia i Omry, zanakalahin’i Mikaela; tamin’ny Zebolona dia i Jismaia, zanakalahin’i Obadia; tamin’ny Naftaly dia i Jerimota, zanakalahin’i Azriela; tamin’ny taranak’i Efraima dia i Hosea, zanakalahin’i Azazia; tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Joela, zanakalahin’i Pedaia; tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin’i Zakaria; tamin’ny Benjamina dia i Jasiela, zanakalahin’i Abnera; tamin’ny Dana dia i Azarela, zanakalahin’i Jerohama. Ireo no lohan’ireo fokon’ny Israely. Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina anefa i Davida satria efa nilaza NY TOMPO fa hampitombo ny Israely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra. Nanomboka nanisa i Joaba, zanak’i Zeroia, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Israely tamin’izany ka tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’i Davida mpanjaka ny isany. Ny tonian’ny trano fitahirizan’ny mpanjaka dia i Azmaveta, zanak’i Adiela; ny tonian’ny trano fitahirizana tany ambanivohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia i Jonatana, zanak’i Ozia; ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia i Ezry, zanak’i Keloba; ny mpiandraikitra ny tanim-boaloboka dia i Simey ramatita; ny tonian’ny fitahirizana divay any amin’ny tanim-boaloboka dia i Zebdy sifmita; ny mpiandraikitra ny hazo oliva sy ny aviavy any Sefela dia i Baala-Hanana gaderita; ny tonian’ny fitahirizana diloilo dia i Joasy; ny mpiandraikitra ny fiandrasana omby any Saròna dia i Sitiray sarònita; ny mpiandraikitra ny omby any an-dohasaha dia i Safata, zanak’i Adlay; Ny mpiandraikitra ny rameva dia i Obila ismaelita; ny mpiandraikitra ny borikivavy dia i Jedeia meronotita; ary ny mpiandraikitra ny ondry aman’osy dia i Jaziza hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian’ny fananan’i Davida mpanjaka. I Jonatana, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolotsaina; lehilahy be fahalalana izy sady mpitantsoratra; i Jehiela, zanak’i Hakmony, no nikarakara ny zanaky ny mpanjaka. I Ahitofela dia mpanolotsaina ny mpanjaka; i Hosay arkita no namana akaiky ny mpanjaka; ny manarakaraka an’i Ahitofela dia i Jehoiada, zanak’i Benaia, sy i Abiatara; ary ny lehiben’ny miaramilan’ny mpanjaka dia i Joaba. Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny foko sy ny lehiben’ny antokony izay nanompo ny andriamanjaka, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitandrina ny harena mbamin’ny biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ny tandapa sy ny lehilahy mahery, ary ny olona manankaja rehetra. Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ho an’ny fitoeran-tongotr’Andriamanitsika. Efa nataoko vonona izay hoenti-manangana azy; nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an’ny anarako ianao satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-dra. Nefa kosa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, efa nifidy ahy tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra ho mpanjakan’ny Israely mandrakizay; fa i Joda no nofidiny ho mpitondra, ary tamin’ny taranak’i Joda indray dia ny ankohonan’ny raiko no nofidiny; ary tamin’ny ankohonan’ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ny Israely rehetra. Ary tamin’ny zanako rehetra, fa zanaka maro no nomen’NY TOMPO ahy, dia i Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakan’NY TOMPO hanjaka amin’ny Israely. Ary hoy NY TOMPO tamiko: I Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. Hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandrakariva tahaka ny amin’izao anio izao izy. Ary ankehitriny, eto anatrehan’ny Israely rehetra, dia ny fiangonan’NY TOMPO, sy eto anatrehan’Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity sy hamelanareo azy ho lovan’ny zanakareo mandimby anareo mandrakizay. Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro ny Andriamanitry ny rainao ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy ny fanahy mazoto; fa NY TOMPO dia mpandinika ny fo manontolo, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao dia hariany mandrakizay. Koa mitandrema, fa efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina NY TOMPO. Mahereza ka mahefà. Natolotr’i Davida an’i Solomona zanany ny sarin’ny lalantsara fidirana sy ny trano, ny trano fitahirizan-drakitra, ny efitrano ambony, ny efitrano anatiny, ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana; natolony azy ny sarin’izay rehetra efa niseho tamin’ny fanahiny; dia ny amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO, ny efitrano rehetra manodidina azy ho an’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny ny tranon’NY TOMPO, ny rakitra masina; natolony azy koa ny ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny levita, ny ho an’ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny ho an’ny fanaka rehetra hoenti-manompo ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny lanjan’ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samihafa rehetra, ny lanjan’ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy samihafa rehetra, ny lanjan’ny volamena hanaovana ny fitoeran-jiro volamena sy ny jirony araka ny lanjany avy, ny lanjan’ny volafotsy hanaovana ny fitoeran-jiro volafotsy sy ny jirony araka ny fampiasana azy avy, ny lanjan’ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo atao fanatitra, ny amin’ny volafotsy ho amin’ny latabatra volafotsy, ny amin’ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsy mifangaro; ny amin’ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy; ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; nomeny koa ny sarin’ny fiaran’Andriamanitra, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny vata misy ny faneken’NY TOMPO. Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’NY TOMPO ahy tamin’ny soratra avy tamin’ny tanany, izay atỳ amiko. Hoy koa i Davida tamin’i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa NY TOMPO Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’NY TOMPO. Ary indreo, ny antokon’ny mpisorona sy ny levita dia hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ao aminao koa dia misy hanampy amin’ny asa samihafa rehetra, dia ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra izay hankatò ny didinao. Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: I Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy marefo; nefa lehibe ny asa, fa tsy ho an’olona ny lapa fa ho an’NY TOMPO Andriamanitra. Tamin’ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’Andriamanitro, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ny vy hanaovana ny fanaka vy, ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony, ny vato alatsaka miloko fotsy somary volomparasy, ny vato misoratsoratra samihafa, ny vatosoa samihafa rehetra ary ny marbra fotsy betsaka. Koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako, dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin’ny rindrin’ny efitrano tsirairay; ny volamena dia hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy dia hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samihafa rehetra izay hataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO anio? Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny fokon’ny Israely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin’ny tranon’Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo sy iray alina ary talenta vy iray hetsy. Ary izay nanana vatosoa dia nanome azy ho naman’ireo kojakoja ho amin’ny tranon’NY TOMPO, hotahirizin’i Jehiela gersonita. Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony manontolo no nahazotoany nanatitra ho an’NY TOMPO; faly dia faly koa i Davida mpanjaka. Dia nisaotra NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida hoe: Isaorana anie Ianao, RY TOMPO, Andriamanitr’Israely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka ka eo an-tananao koa ny mahalehibe sy ny mampatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, misaotra Anao sy midera ny anaranao be voninahitra izahay. Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanao fanatitra an-tsitrapo toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao. Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany ka tsy misy fanantenana. Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ny anaranao masina ireto dia avy tamin’ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra. Fantatro, Andriamanitro ô, fa Ianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia tamin’ny hitsim-poko no nazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ankehitriny, efa hitako tamin’ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao. Ry TOMPO, Andriamanitry ny razanay ô, dia i Abrahama sy Isaka ary Israely, mba ampahareto ao am-pon’ny olonao mandrakizay izany fikasan’ny sainy izany ka ampiomany ho Anao ny fony. Omeo fo marina i Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teny vavolombelonao ary ny lalànanao ka hanatanteraka izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako fitaovana hanaovana azy. Ary hoy i Davida tamin’ny fiangonana rehetra: Miangavy anareo aho, misaora NY TOMPO Andriamanitrareo! Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO sy ny mpanjaka. Nony ampitson’iny dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia vantotra ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Israely rehetra. Nihinana sy nisotro tamin’ny fifaliana be teo anatrehan’NY TOMPO ny olona tamin’izany andro izany. Ary nohamafisiny indray ny maha mpanjaka an’i Solomona, zanak’i Davida, sady nohosorany ho an’NY TOMPO ho mpanapaka, ary i Zadoka kosa ho mpisorona. Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’NY TOMPO ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy i Solomona, ary nambinina izy ka nanaiky azy ny Israely rehetra. Ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak’i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an’i Solomona mpanjaka. Ary NY TOMPO nanandratra an’i Solomona ho ambony indrindra teo imason’ny Israely rehetra sady nanome azy ny voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Israely. Toy izany no nanjakan’i Davida, zanak’i Jese, tamin’ny Israely rehetra. Ny andro nanjakany tamin’ny Israely dia efapolo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telopolo taona. Maty izy rehefa tratra antitra sady lava andro niainana, ary be harena sy voninahitra; ary i Solomona zanany no nanjaka nandimby azy. Ny tantaran’i Davida mpanjaka, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Samoela mpahita sy ao amin’ny bokin’i Natana mpaminany ary ao amin’ny bokin’i Gada mpahita izany, mbamin’ny fotoana nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay rehetra niseho tamin’ny androny ary tamin’ny Israely sy tamin’ny fanjakana rehetra tamin’ny tany. I Solomona, zanak’i Davida, dia nitombo hery tamin’ny fanjakany, ary NY TOMPO Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy ho ambony indrindra. Ary niteny tamin’ny Israely rehetra i Solomona, dia ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitsara ary ny lohan’ny foko rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana, koa niara-niakatra ho any amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo; fa tao ny tranolay fihaonana izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, tany an-tany efitra. Fa ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia efa nampiakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jearima ho ao amin’izay efa namboariny ho azy; satria efa nanorina tranolay ho azy tany Jerosalema izy. Ary ny alitara varahina izay nataon’i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, dia teo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO. Nitady Azy i Solomona sy ny fiangonana. Nanolotra fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO teo amin’ny alitara varahina, izay momba ny tranolay fihaonana, i Solomona; fanatitra dorana manontolo arivo no nateriny teo. Tamin’iny alina iny no nisehoan’Andriamanitra tamin’i Solomona ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao. Dia hoy i Solomona tamin’Andriamanitra: Efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko Ianao ary nampanjaka ahy handimby azy. Koa ankehitriny, RY TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko; fa efa nampanjaka ahy tamin’ny vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany Ianao. Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto ka hahazoako mitondra azy; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao? Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aoriananao. Tonga tany Jerosalema, teo anoloan’ny tranolay fihaonana i Solomona, rehefa avy teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona; ary nanjaka tamin’ny Israely izy. Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Solomona ka nanana kalesy fitondra miady efajato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy fitondra miady ary tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema. Nataon’ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera dia nataony maro toy ny aviavy any Sefela. Avy tany Ejipta no nahazoan’i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ny mpivaro-mandehan’ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny. Ary noentiny niakatra avy tany Ejipta ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray, izay sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly dia dimampolo amby zato avy; toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana. Nilaza i Solomona fa hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany. Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana i Solomona, valo alina ho mpikapa hazo any an-tendrombohitra ary eninjato sy telo arivo ho mpifehy azy. Nandefa iraka hankany amin’i Hirama, mpanjakan’i Tiro, i Solomona, hilaza hoe: Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanorenany trano hitoerany ianao, indro, hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy aho, handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany sy hasiana ny mofo atao fanatitra ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva ary amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ny fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO Andriamanitray; ho adidy maharitra ho an’ny Israely izany. Ary ny trano izay haoriko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. Nefa iza no mahay manorina trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Iza moa aho no hanorina trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany? Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena, volafotsy, varahina, vy, kofehy volomparasy sy jaky ary manga, mbamin’izay mahay misokitra sary, mba hiara-miasa amin’ny olona manam-pahaizana manokana izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko. Anatero hazo sedera sy kipreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary indro, hiaraka amin’ny vahoakanao ny vahoakako mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay haoriko dia ho lehibe higagana. Ary indro, homeko varimbazaha voafotsy sy varimbazaha roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo. Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany. Hoy koa i Hirama: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana ka hanorina trano ho an’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany izy. Koa ankehitriny indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia i Hirama-Aby, zanaky ny vehivavy danita sy ny lehilahy tiriana. Izy dia mahay miasa volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo, kofehy volomparasy sy manga ary rongony fotsy madinika sy jaky; ary mahay misokitra sary samihafa sy mahay mamolavola asa kanto koa izy ka hiara-miasa amin’ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’i Davida tompoko, rainao. Ary ireo varimbazaha isan-karazany sy ny diloilo ary ny divay, izay nolazainao, tompokolahy, dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao; ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina ho any Jopa ireny; fa ianao kosa no hampiakatra azy any Jerosalema. Nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ny tanin’ny Israely araka ny nanisan’i Davida rainy azy i Solomona, ary ny isany dia eninjato sy telo arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Ny fito alina tamin’ireo dia nataony mpitondra entana, ny valo alina dia nataony mpikapa hazo any an-tendrombohitra, ary ny eninjato sy telo arivo dia nataony mpifehy hampiasa ny olona. Nanomboka nanorina ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’NY TOMPO tamin’i Davida rainy, i Solomona, dia ilay namboarina teo amin’ny toerana nofidin’i Davida teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita. Nanomboka nanorina ny Trano izy tamin’ny andro faharoa tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enimpolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho. Ny amin’ny lalantsara fidirana izay eo anoloana dia roapolo hakiho ny lavany, mitovy amin’ny sakan’ny Trano ihany, ary ny haavony dia roapolo amby zato hakiho; ary nopetahany takelaka volamena tsara ny ao anatiny. Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo. Noravahany vatosoa koa ny Trano; ny volamena dia volamena avy any Parvaima. Nopetahany takelaka volamena ny Trano, dia ny rairainy, ny tokonany, ny rindriny ary ny lelam-baravarany; nasiany sarin’ny kerobima koa ny rindrina. Nanangana ny efitrano masina indrindra izy: Ny lavany dia roapolo hakiho mifanerana amin’ny sakan’ny trano, roapolo hakiho koa ny sakany; nopetahany takelaka volamena tsara milanja talenta eninjato izany. Ny lanjan’ny hombo volamena dia sekela dimampolo. Ny efitrano ambony dia nopetahany volamena koa. Nosokirany sarin’ny kerobima roa tao amin’ny efitrano masina indrindra, avy eo dia nopetahany takelaka volamena. Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray; ny elatry ny kerobima iray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray. Nivelatra ny elatr’ireo kerobima ireo ka roapolo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ny tongony izy ary nanatrika ny trano ny tarehiny. Nanao ny efitra lamba tamin’ny kofehy manga sy volomparasy ary jaky sy rongony fotsy madinika izy; ary nataony sarin’ny kerobima ny sorany. Nanangana andry roa teo anoloan’ny Trano izy; dimy amby telopolo hakiho ny haavony ary ny tendrony teo an-tampony dia dimy hakiho avy. Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo. Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza. Nanorina alitara varahina izy: Roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny haavony. Nanao ny koveta be boribory voarendrika izy: Folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina azy. Nisy sarin’omby folo isaky ny hakiho iray manodidina, teo ambanin’ny koveta be. Roa andalana ny sarin’omby sady niara-voarendrika tamin’ilay koveta be. Ary ny koveta be dia nipetraka teo ambonin’ny sarin’omby roa amby folo: Nanatrika ny avaratra ny telo, nanatrika ny andrefana ny telo, nanatrika ny atsinanana ny telo, ary nanatrika ny atsimo ny telo; ny koveta be dia teo amboniny, ary nifampiamboho izy rehetra. Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata izy io. Nanao koveta varahina folo koa izy mba ho fidiovana, nataony teo amin’ny ankavanana ny dimy, ary teo amin’ny ankavia ny dimy; ary tao no nanasana ny zavatra hatao fanatitra dorana manontolo; fa ny koveta lehibe kosa dia ho fisasan’ny mpisorona. Nanao ny fitoeran-jiro volamena folo araka ny marika izy dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy. Nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy. Ary nanao lovia volamena famafazana miisa zato izy. Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady. Ary nataony tamin’ny ankavanana ny koveta, teo amin’ny zorony atsimo atsinanana. Nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’afo ary ny lovia famafazana koa i Hirama. Dia vitan’i Hirama ny asa izay nataony ho an’i Solomona mpanjaka momba ny tranon’Andriamanitra: Ny andry roa, ny bolany, ny tendrony izay teny ambonin’ny andry roa, ny harato roa hafono ny bolany roa amin’ny tendrony izay teo an-tampon’ny andry avy, ary ny sarin’ampongabendanitra efajato ho amin’ny harato roa, sarin’ampongabendanitra roa andalana ho amin’ny harato iray hafono ny bolany roa momba ny tendrony izay teo an-tampon’ny andry avy; ary nanao ireo fitoeran-koveta izy, dia napetrany teo ambonin’ny fitoerany ny koveta, ary ny koveta lehibe iray sy ny sarin’omby roa amby folo, ambaniny. Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Tany amin’ny tany amoron’i Jordana no nandrendrehan’ny mpanjaka azy tamin’ny tanimanga, teo anelanelan’i Sokota sy i Zaretana. Toy izany no nanaovan’i Solomona ireo fanaka marobe ireo ary tsy nozahana izay lanjan’ny varahina. Nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra i Solomona: Ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo atao fanatitra, ary ny fitoeran-jiro sy ny jirony izay hampirehetina eo anoloan’ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena voafantina; ny voniny sy ny lela fitoeran-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa; ary ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro koa dia samy volamena voafantina; samy volamena koa ny lelam-baravarana teo anatin’ny Trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lelam-baravarana ho amin’ny efitrano lehibe. Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Tamin’izay dia novorin’i Solomona ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakavian’ny Zanak’Israely, ho any Jerosalema hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy any Ziona, Tanànan’i Davida. Dia nivory ho any amin’ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ny Israely tamin’ny andro firavoravoana tamin’ny volana fahafito. Tonga koa ny loholon’ny Israely rehetra ka ny levita no nitondra ny vata misy ny Fanekena, dia nampiakariny ny vata misy ny Fanekena sy ny tranolay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny levita mpisorona ireo zavatra ireo. Ary i Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ny vata misy ny Fanekena, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany. Ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny fitoerany tao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima; fa nivelatra teo ambonin’ny toeran’ny vata misy ny Fanekena ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny vata misy ny Fanekena sy ny baony. Ary lava ny bao ka hita ny lohany, raha eo amin’ny vata misy ny Fanekena eo anoloan’ny efitra anatiny, nefa tsy hita avy eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo. Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’NY TOMPO nanao fanekena tamin’ny Zanak’Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta. Dia nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona, satria ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany fa tsy mba nifandimby isan-toko tamin’izay. Ary ny levita mpihira rehetra, dia i Asafa, i Hemana ary i Jedotona mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy lamba rongony fotsy madinika sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ny alitara, ary teo aminy koa dia nisy mpisorona roapolo amby zato nitsoka trompetra; ary toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira raha nidera sy nisaotra NY TOMPO izy ireo; nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno isan-karazany ka nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny Trano, dia ny tranon’NY TOMPO; koa tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’Andriamanitra. Dia hoy i Solomona: Efa nilaza NY TOMPO fa hitoetra ao amin’ny haizim-pito Izy. Nefa efa nanorina trano hitoeranao tokoa aho, dia toerana hitoeranao mandrakizay. Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Israely rehetra. Hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no efa niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe: Hatramin’ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Ejipta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko hanorenana trano mba hitoeran’ny anarako tamin’ny fokon’Israely rehetra; tsy nisy koa olona nofidiko ho mpanapaka ny Israely oloko; fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny anarako ary nifidy an’i Davida Aho hanapaka ny Israely oloko. Ary efa tao am-pon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanorina trano ho an’ny anarako dia tsara izany fikasanao izany. Kanefa tsy ianao no hanorina ny Trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanorina ny trano ho an’ny anarako. Ary NY TOMPO efa nahatanteraka ny teny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely araka ny nolazain’NY TOMPO, sady nanorina ny trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Ary napetrako tao ny vata misy ny Fanekena izay itoeran’ny faneken’NY TOMPO, ilay nataony tamin’ny Zanak’Israely. Ary nitsangana teo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, i Solomona ka namelatra ny tanany. Efa nanao lampivarahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io; dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, telo hakiho ny haavony; dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary namelatra ny tanany manandrify ny lanitra ka niteny hoe: RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao ho an’ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony manontolo, sady efa nahatanteraka tamin’i Davida raiko mpanomponao izay nolazainao taminy; fa nolazain’ny vavanao izany, dia notanterahin’ny tananao tahaka ny amin’izao anio izao. Koa tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao, RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako izay hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mankatò ny lalànako tahaka ny nandehananao teo anatrehako. Koa ankehitriny, RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, mifona aminao aho, aoka ho to anie ny teninao izay nolazainao tamin’i Davida mpanomponao. Andriamanitra va honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany tokoa? E! Ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity! Koa atreho ny vavaka izay ataoko sy ny fifonan’ny mpanomponao, RY TOMPO Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao eto anatrehanao, mba hihiratan’ny masonao andro aman’alina amin’ity trano ity, dia amin’ny toerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako mba hihainoanao ny vavaka izay ataon’ny mpanomponao manatrika ity toerana ity. Ary henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy ny Israely olonao raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka. Raha misy olona manota amin’ny namany ary ampianianiny ka tonga hianiana eo anoloan’ny alitaranao amin’ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra Ianao ka miasà, ary tsarao ireo mpanomponao, mba hovalina ny ratsy fanahy ka hampitsingerenina ho amin’ny lohany ny nataony, fa hohamarinina kosa ny marina ka homena azy araka ny fahamarinany. Raha resy eo anoloan’ny fahavalo ny Israely olonao noho ny nanotany Taminao ary miverina sy manaiky ny anaranao indray izy ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin’ity trano ity, dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny Israely olonao ary ampodio amin’ny tany nomenao azy sy ny razany izy. Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ny olona Taminao, ary mivavaka manatrika ity toerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ny fahotany satria ampahorinao, dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny Israely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ny taninao, izay nomenao ho lovan’ny olonao. Raha misy mosary amin’ny tany, na areti-mandringana, na main’ny hafanana ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ny taniny, dia ao amin’ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina, izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’olona na ny Israely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy ka mamelatra ny tanany manatrika ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka mamelà heloka, ary omeo araka ny alehany rehetra ny olona tsirairay, satria fantatrao ny fony, fa Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona ka mba hatahotra Anao sy handeha amin’ny lalanao izy ireo amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay. Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mitsotra, koa raha avy izy ireo ka mivavaka manatrika ity trano ity dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka miasà araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Israely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina amin’ity trano naoriko ity. Raha miainga hiady amin’ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy ka mivavaka Aminao manandrify ity tanàna izay nofidinao ity sy ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao, dia henoy any an-danitra ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy. Raha manota aminao izy, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy eo anoloan’ny fahavalony ary entin’ny mpamabo ho babo any amin’ny tany lavitra na akaiky izy, nefa mahatsiaro rehefa any amin’ny tany nitondrana azy ho babo ka mibebaka sy mifona Aminao any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo ary miteny hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao izay ratsy ka miverina Aminao amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy ao amin’ny tany nitondrana azy ho babo, ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao, dia henoy any an-danitra fonenanao ny vavaka ataony sy ny fifonany ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota Taminao. Ankehitriny, Andriamanitro ô, mifona Aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, ary aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin’ity toerana ity. Koa ankehitriny, mitsangàna ho amin’ny fitsaharanao, RY TOMPO Andriamanitra ô, dia Ianao sy ny vata misy ny faneken’ny herinao! Aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, RY TOMPO Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masina hifaly amin’ny soa. RY TOMPO Andriamanitra ô, aza lavinao ny Voahosotrao; tsarovy ny famindrampo nampanantenaina an’i Davida mpanomponao. Rehefa vitan’i Solomona izany vavaka izany dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra; dia feno ny voninahitry NY TOMPO ny Trano. Ary tsy nahazo niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona satria feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’NY TOMPO. Nony hitan’ny Zanak’Israely rehetra ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry NY TOMPO teo ambonin’ny Trano dia niankohoka tamin’ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony. Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO. Namono zavatra hatao fanatitra koa i Solomona mpanjaka, dia omby roa arivo sy roa alina, ondry aman’osy roa alina sy iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra. Samy nitsangana hanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona sy ny levita izay nanana ny zavamanenon’NY TOMPO, izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony, raha nasain’i Davida nidera an’Andriamanitra izy; ary nitsoka ny trompetra teo anoloany ny mpisorona, ary ny Israely rehetra dia nitsangana teo. Ary nanamasina ny afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO i Solomona; fa tao no nanolorany ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon’i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny sabora. Tamin’izany andro izany i Solomona sy ny Israely rehetra teo aminy, izay fiangonana lehibe hatrany akaiky an’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana. Tamin’ny andro fahavalo dia nanao fivoriana lehibe famaranana izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. Tamin’ny andro fahatelo amby roapolo tamin’ny volana fahafito dia nampodiny ho any an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon’NY TOMPO tamin’i Davida sy i Solomona ary ny Israely olony. Toy izany no nahavitan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’andriana, ary samy nataon’i Solomona lavorary avokoa izay rehetra efa nokasainy hatao tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao an-dapany. Nony alina dia niseho tamin’i Solomona NY TOMPO ka niteny taminy hoe: Efa reko ny vavaka nataonao, ary efa nofidiko ho Ahy ity toerana ity ho trano fanolorana fanatitra. Koa indro, raha mampihantona ny andro Aho ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na andefasako areti-mandringana ny oloko, raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko dia hihaino ny vavaka izay atao amin’ity toerana ity; fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran’ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko dia ho ao mandrakariva. Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao ka hanatanteraka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, dia hampitoeriko ny sezafiandrianan’ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin’i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpitondra amin’ny Israely ianao. Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalànako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanitra hafa sy miankohoka eo anatrehany, dia hongotako amin’ny tany izay nomeko anareo ianareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ny anarako ity sady hataoko ho fiteny sy ho faneso any amin’ny firenena rehetra. Ary na dia avo aza ity trano ity dia ho fitalanjonan’izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon’NY TOMPO toy izao ity tany sy ity trano ity? Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ny olona ka nifikitra tamin’ny andriamanitra hafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy. Nony afaka ny roapolo taona nanaovan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO sy ny lapa ho an’ny tenany dia namboariny ny tanàna izay nomen’i Hirama azy ka namponenany ny Zanak’Israely. Dia nankany Hamata-Zoba i Solomona ka naharesy azy. Nanorina an’i Tadmora tany an-tany efitra sy ny tanàna fitahirizana rehetra izay naoriny tany Hamata izy. Namboariny koa i Bety-Horona ambony sy i Bety-Horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady misy hidiny; tahaka izany koa i Baleta, ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna rehetra fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra. Ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Israely, dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny fa tsy naringan’ny Israely, ireny no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany. Fa ny Zanak’Israely dia tsy mba nampanaovin’i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy mpitarika ny mpanafika malaza ary lehiben’ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Izao no isan’ireo mpifehy voatendrin’i Solomona mpanjaka: Dimampolo sy roanjato izay nanapaka ny olona. Nitondra ny zanakavavin’ny Farao niakatra avy tao an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy i Solomona, satria hoy izy: Ny vadiko dia tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Israely, fa masina izay efa nidiran’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO. Tamin’izany i Solomona dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO, izay naoriny teo anoloan’ny lalantsara fidirana; eny, nanolotra izay fanao isanandro izy araka ny didin’i Mosesy, dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo. Notendreny koa ny antokon’ny mpisorona, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy, ary ny levita koa ho amin’ny anjara raharahany, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isanandro, ary ny mpiandry varavarana dia araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no didy nomen’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, azy. Ary tsy nialan’ireo ny didin’ny mpanjaka tamin’ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny trano fitahirizana. Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’NY TOMPO ka ambara-pahavitany. Dia vita tsara ny tranon’NY TOMPO. Ary tamin’izay i Solomona dia nankany Eziona-Gebera sy Elota eo amoron’ny ranomasina any amin’ny tany Edoma, ary ny mpanompon’i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo volamena milanja dimampolo sy efajato talenta tany, dia noentiny tany amin’i Solomona mpanjaka izany. Rehefa nahare ny lazan’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ny fanontaniana sarotra, ary marobe ny mpanotrona azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zavamanitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa tonga tao amin’i Solomona izy dia niresaka taminy izay rehetra tao am-pony. Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’i Solomona fa navaliny azy avokoa. Rehefa hitan’ilay mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona, ny trano izay naoriny, ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy. Dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin’ny taniko ny amin’ny teninao sy ny fahendrenao. Kanefa tsy nino ny filazana aho raha tsy tonga atỳ, koa ny masoko no mahita; kanjo hay! Na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza dia tsy voalaza tamiko akory; fa indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijoro eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao izay tia anao ka nametraka anao amin’ny sezafiandrianany ho mpanjaka ho an’NY TOMPO Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’Andriamanitrao ny Israely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana. Ary nanome talenta volamena roapolo amby zato sy zavamanitra sesehena ary vatosoa ho an’ny mpanjaka izy; tsy nisy nahatonga zavamanitra be intsony tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona mpanjaka ny tatỳ aoriana rehetra. Ny mpanompon’i Hirama koa sy ny mpanompon’i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vatosoa. Ary ny hazo almoga dia nataon’ny mpanjaka ambaratonga ho amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’andriana ary nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira koa; tsy mbola nisy nahitana toy izany teo aloha tamin’ny tanin’ny Joda. Ary i Solomona mpanjaka kosa dia nanome izay rehetra nirin’ny mpanjakavavin’i Sheba na inona na inona nangatahiny, mihoatra noho izay noentiny ho an’ny mpanjaka; dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ny taniny izy mbamin’ny mpanompony. Ny lanjan’ny volamena izay tonga tao amin’i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enimpolo sy eninjato, afa-tsy izay noentin’ny mpivarotra sy ny mpivaro-mandeha. Ary ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’i Solomona. Nanao ampinga volamena lehibe roanjato tamin’ny volamena voafisaka i Solomona mpanjaka ka takelaka volamena milanja sekela eninjato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray. Nanao ampinga volamena telonjato tamin’ny volamena voafisaka koa izy ka takelaka volamena milanja sekela telonjato no napetaka tamin’ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny trano Alan’i Libanona ireo. Ary nanamboatra sezafiandrianana vita amin’ny ivoara lehibe ny mpanjaka ka nopetahany takelaka volamena tsara. Nisy ambaratonga enina tamin’ny sezafiandrianana ary fitoeran-tongotra volamena izay naraikitra tamin’ny sezafiandrianana. Nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ny fipetrahana, ary nisy sarivongana liona roa teo akaikin’ny fitehenan-tanana; ary nisy sarivongana liona roa amby folo teo an-daniny roa teo amin’ny ambaratonga enina. Tsy nisy nahitana tahaka izany tany amin’ny fanjakana rehetra. Ny kapoaka fisotroan’i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa ary ny fanaka rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libanona koa dia volamena voafantina avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona. Fa ny mpanjaka dia nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin’ny mpanompon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no tonga ny sambon’i Tarsisy nitondra volamena, volafotsy, ivoara, rajako ary vorombola. Ary i Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany. Nitady hahita ny tavan’i Solomona ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony. Ary samy nahatonga ny fanomezany avy isan-taona izy rehetra, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zavamanitra, soavaly ary ampondra. Ary i Solomona dia nanana tranon-tsoavaly mpitarika kalesy fitondra miady efatra arivo ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin’ireo tanàna fitoeran-kalesy fitondra miady sy tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema. Ary nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistina ary hatrany amin’ny sisin’i Ejipta izy. Nataon’ny mpanjaka toy ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary nataony toy ny aviavy any Sefela ny hazo sedera. Nakana soavaly avy tany Ejipta sy tany amin’ny tany rehetra koa i Solomona. Ary ny tantaran’i Solomona sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Natana mpaminany sy ao amin’ny faminanian’i Ahia silonita ary ao amin’ny fahitan’Ido mpahita ny amin’i Jeroboama, zanak’i Nebata va izany? Nanjaka efapolo taona tamin’ny Israely rehetra tany Jerosalema i Solomona. Ary nodimandry any amin’ny razany i Solomona ka nalevina tao an-Tanànan’i Davida rainy izy; ary i Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy. Nankany Sekema i Rehoboama, fa tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy. Koa raha nandre izany i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay efa nandositra nankany Ejipta niala teo anatrehan’i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Ejipta. Ary nandefa iraka haka azy ny olona. Dia tonga i Jeroboama sy ny Israely rehetra ka niteny tamin’i Rehoboama hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ankehitriny, mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana dia miverena atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona. Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy hoe: Ahoana no hevitra omenareo mba hamaliana ny vahoaka? Dia hoy ireo taminy: Raha tsara amin’ny vahoaka ianao ka mankasitraka azy sy manao teny mora aminy dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Nefa nolavin’i Rehoboama ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy, dia naka hevitra tamin’ny tanora izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka niteny taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nampitondrain’ny rainao anay? Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko; koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo. Ary i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin’i Rehoboama tamin’ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ny mpanjaka hoe: Miverena atỳ amiko indray amin’ny andro fahatelo. Dia nanao teny mafy tamin’ny olona i Rehoboama mpanjaka fa tsy niraharaha ny hevitra nomen’ireo zokiolona azy izy ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa dia vao mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo. Dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa fitondrana avy tamin’Andriamanitra izany zavatra izany, mba hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata. Nony hitan’ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka dia hoy ny vahoaka tamin’ny mpanjaka: Inona moa no anjaranay amin’i Davida? Tsy manana lova amin’ny zanak’i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Israely e! Ankehitriny, tsinjovy ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Israely rehetra. Fa ny Zanak’Israely izay nonina tany amin’ny tanànan’ny Joda ihany no nanjakan’i Rehoboama. Dia naniraka an’i Adorama, mpifehy ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa nitora-bato azy ny Zanak’Israely ka maty izy. Dia niezaka niakatra haingana amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema. Ary mandraka androany dia mikomy amin’ny taranak’i Davida ny Israely. Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda sy i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin’ny Israely mba hampody ny fanjakana ho an’i Rehoboama. Kanjo tonga tamin’i Semaia, lehilahin’Andriamanitra, ny tenin’NY TOMPO hoe: Mitenena amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona, mpanjakan’ny Joda, sy amin’ny Israely rehetra any amin’i Joda sy i Benjamina hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny rahalahinareo fa samia mody any an-tranony avy ianareo; satria avy Amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody fa tsy nandeha hamely an’i Jeroboama. Nitoetra tany Jerosalema i Rehoboama ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda. Ireto avy ireo namboariny: I Betlehema, i Etama, i Tekoa, i Bety-Zora, i Soko, i Adolama, i Gata, i Maresa, i Zifa, i Adoraima, i Lakisy, i Azeka, i Zora, i Aialona ary i Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’i Joda sy i Benjamina. Nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao, nasiany tahirin-kanina sy diloilo ary divay koa. Ary tamin’ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafisiny tsara ny vohitra; ary i Joda sy i Benjamina no nomba azy. Ary ny mpisorona sy ny levita izay tany amin’ny Israely rehetra dia nanatona an’i Rehoboama avy tany amin’ny faritaniny avy. Nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ny levita ka nankany Joda sy Jerosalema, fa efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’NY TOMPO i Jeroboama sy ny zanany, fa nanendry mpisorona ho amin’ny toerana fanaovana sorona sy ho an’ny Seìrima ary ho an’ny ombilahy kely izay nataony. Ary na iza na iza tamin’ny fokon’Israely rehetra no nanolotra ny fony hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany. Dia nampatanjaka ny fanjakan’ny Joda izy ireo sady nanome hery an’i Rehoboama, zanak’i Solomona, nandritra ny telo taona satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Solomona telo taona izy. Ary i Rehoboama dia naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy i Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny; niterahany an’i Jeosy sy i Semaria ary i Zahama izy io. Nanarakaraka azy dia nalainy koa Imaka, zanakavavin’i Absaloma, izay niterahany an’i Abia, i Atahy, i Ziza ary i Selomita. Ary tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vady tsindranony rehetra i Rehoboama, fa izy dia naka vady valo amby folo sy vady tsindrano enimpolo ka niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo. Ary i Abia, zanakalahin’Imaka, no nataon’i Rehoboama lohany ho mpifehy ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina. Nahazo hevitra izy ka nampiely ny zanany manerana ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra, dia tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, ary nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro. Rehefa nampandry ny fanjakany sady efa nahery i Rehoboama dia nahafoy ny lalànan’NY TOMPO izy sy ny Israely rehetra. Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama mpanjaka dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, fa nivadika tamin’NY TOMPO ny mponina tany. Nitondra kalesy fitondra miady roanjato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Ejipta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. Dia nahazo ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema. Ary tonga tao amin’i Rehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, i Semaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahafoy Ahy ianareo, koa Izaho kosa dia mba hahafoy anareo ho eo an-tanan’i Sisaka. Dia nanetry tena ireo mpanapaka ny Israely sy ny mpanjaka ka niteny hoe: Marina NY TOMPO. Nony hitan’NY TOMPO fa nanetry tena izy ireo dia tonga tao amin’i Semaia indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Efa nanetry tena izy ka tsy handringana azy Aho fa hamonjy azy tsy ho ela; ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tanan’i Sisaka ny fahatezerako. Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ny fanjakana hafa. Dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka. Samy nobaboiny avokoa izy rehetra; nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’i Solomona. Nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka. Ary na oviana na oviana no nidiran’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia noentin’ny mpiambina ireny, ary naveriny tao amin’ny efitranon’ny mpiambina indray avy eo. Rehefa nanetry tena izy dia niala taminy ny fahatezeran’NY TOMPO ka tsy nahalany ringana azy, sady nisy fahatsaram-panahy koa tao amin’ny Joda. Ary i Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema ka nitondra ny fanjakany; iraika amby efapolo taona izy raha tonga mpanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. Ary nanao izay ratsy izy, satria tsy niezaka hitady NY TOMPO. Ny tantaran’i Rehoboama, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ny firazanana va izany? Niady mandrakariva i Rehoboama sy i Jeroboama. Ary nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Abia zanany no nanjaka nandimby azy. Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Jeroboama mpanjaka no tonga mpanjakan’ny Joda i Abia. Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Mikaia, zanakavavin’i Oriela, avy any Gibea. Ary niady i Abia sy i Jeroboama. I Abia no nanomboka ny ady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; i Jeroboama kosa dia nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa. Nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima izay any amin’ny tany be havoana any Efraima i Abia ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Israely rehetra: Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho an’i Davida mandrakizay ny fanjakan’ny Israely, dia ho azy sy ny taranany tamin’ny fanekena tsy azo ivadihana mandrakizay? Nefa nitsangana kosa i Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony. Nisy koa, olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an’i Rehoboama, zanak’i Solomona raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. Ary ankehitriny ianareo dia mikasa hanohitra ny fanjakan’NY TOMPO, izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; ary marobe ianareo, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’i Jeroboama ho andriamanitrareo. Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’NY TOMPO, dia ny taranak’i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo, tahaka ny fanaon’ny firenena amin’ny tany hafa ianareo? Koa izay rehetra mitondra vantotra ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany dia izy no tonga mpisorona amin’ireo tsy Andriamanitra. Fa ny aminay kosa dia NY TOMPO no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO dia ny taranak’i Arona; ary ny levita koa dia manao ny raharahany. Mandoro fanatitra dorana manontolo sy ditin-kazo manitra ho an’NY TOMPO isa-maraina sy isan-kariva izy, ny mofo atao fanatitra koa dia alahany tsara eo amin’ny latabatra, ary ny jiro dia ampirehetiny isan-kariva ao amin’ny fitoeran-jiro volamena sy ny lela fitoeran-jirony; fa izahay dia mitandrina izay nasain’NY TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa dia nahafoy Azy. Ary indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony dia hitsoka mafy ny trompetra avo faneno mba hamelezana anareo. Ry Zanak’Israely ô, aza miady amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo. Fa nasain’i Jeroboama nivily nihodidina ny fandehan’ny vela-pandrika mba hahatonga azy ireo ho ao aorianan’ny Joda ka teo anoloan’ny Joda izy, nefa ny vela-pandrika teo ivohony. Nony nitodika ny Joda ka indreo, teo alohany sy teo aorianany ny fahavalo, dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy, ary ny mpisorona dia nitsoka ny trompetra. Dia nihoby ny lehilahy amin’ny Joda; ary raha nihoby izy dia tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jeroboama sy ny Israely rehetra teo anoloan’i Abia sy ny Joda. Nandositra niala teo anoloan’ny Joda ny Zanak’Israely; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tanany ka nahafatesan’i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin’ny Israely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina. Toy izany no nampietrena ny Zanak’Israely fehizay; ary ny taranak’i Joda no nahery, satria niankina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy. Nanenjika an’i Jeroboama i Abia ka nahazo ny tanànany, dia i Betela mbamin’ny vohitra miankina aminy sy i Jesana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary i Efrona mbamin’ny vohitra miankina aminy. Tsy naharina intsony i Jeroboama tamin’ny andron’i Abia; ary NY TOMPO namely azy ka maty izy. Ary nitombo hery i Abia; nanana vady efatra amby folo izy ka niteraka lahy roa amby roapolo sy vavy enina amby folo. Ary ny tantaran’i Abia sisa mbamin’ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’Ido mpaminany. Ary nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ny andron’i Asa dia nandry fehizay nandritra ny folo taona ny tany. Nanao izay tsara sy mahitsy teo imason’NY TOMPO Andriamanitra i Asa fa nandrava ny alitaran’ny firenen-kafa sy ny toerana fanaovana sorona izy sady nanorotoro ny tsangambaton-tsampy ary nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha. Ary niteny tamin’ny Joda izy hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ary hankatò ny lalàna sy ny didy. Nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny toerana fandoroana ditin-kazo manitra teny amin’ny tanànan’ny Joda rehetra koa izy, dia nandry fehizay ny fanjakana teo anatrehany. Nanorina tanàna mimanda tany Joda izy; dia nandry fehizay ny tany fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany, satria NY TOMPO no nanome azy fiadanana. Fa hoy izy tamin’i Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady misy hidiny raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady NY TOMPO Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. Nanana miaramila telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’i Joda i Asa, valo alina sy roa hetsy koa ny mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa. Niainga hiady tamin’ireo i Zera kosita dia nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy fitondra miady telonjato ka tonga tao Maresa. Nivoaka hiady taminy koa i Asa, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaiky an’i Maresa izy. Ary nitaraina tamin’NY TOMPO Andriamaniny i Asa hoe: TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery eo anoloan’ny maro ka vonjeo izahay, RY TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao. Ary NY TOMPO namely ny Kosita teo anoloan’i Asa sy i Joda ka nandositra ireny. Nanenjika azy hatrany Gerara i Asa sy ny vahoaka niaraka taminy ka nahafatesana be ny Kosita ary tsy naharina intsony, fa voaringana teo anoloan’NY TOMPO sy ny miaramilany izy ka nahazoan’ny Joda babo betsaka. Namely ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara izy; voan’ny fahatahorana NY TOMPO ireo ka nobaboin-dry Asa ny tanàna rehetra, fa be ny babo tao. Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’osy sy rameva, ary niverina ho any Jerosalema izy avy eo. Tonga tamin’i Azaria, zanak’i Odeda, ny Fanahin’Andriamanitra; nandeha hitsena an’i Asa izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Momba anareo NY TOMPO raha momba Azy ianareo; ary raha mitady Azy ianareo dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianareo dia hahafoy anareo Izy. Efa ela ny Israely no tsy nanana an’Andriamanitra marina, na mpisorona mba hampianatra, na lalàna. Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka ny tanàna na izay niditra tao; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ny tany; ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin’ny fahoriana rehetra. Koa mahereza ianareo fa aza miraviravy tanana, fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo. Nony ren’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda mpaminany dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany be havoana any Efraima; nohavaoziny koa ny alitaran’NY TOMPO izay teo anoloan’ny lalantsara fidirana amin’ny tranon’NY TOMPO. Novoriny i Joda, i Benjamina rehetra, ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’i Efraima, i Manase ary i Simeona; fa betsaka tamin’ny Israely no nanatona azy rehefa hitany fa NY TOMPO Andriamaniny no teo aminy. Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ny volana fahatelo tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Asa. Tamin’io andro io dia nanolotra fanatitra ho an’NY TOMPO tamin’ny babo izay noentiny izy, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo. Ary nanao fanekena hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy; koa na iza na iza tsy mety mitady NY TOMPO Andriamanitry ny Israely dia hovonoina ho faty, na kely na lehibe, na lahy na vavy. Ary nianiana tamin’NY TOMPO tamin’ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ny trompetra sy ny anjomara izy. Dia nifaly ny Joda rehetra noho ny fianianana, satria efa nianiana tamin’ny fony manontolo izy sady nazoto nitady NY TOMPO indrindra ka nahita Azy; ary NY TOMPO dia nanome azy fiadanana tamin’ny manodidina rehetra. Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy satria nanangana sampy ho an’ny Aseraha izy; ary nikapa ny sampiny i Asa dia nanorotoro izany ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona. Fa ny toerana fanaovana sorona tamin’ny Israely dia tsy mba noravana; nefa nahitsy ny fon’i Asa tamin’ny androny rehetra. Ary nampidiriny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny zavatra izay nohamasinin’ny rainy mbamin’izay nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka. Dia tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona fahadimy amby telopolo nanjakan’i Asa. Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra. Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe: Aoka hisy fanekena amiko sy aminao, dia toy ilay tamin’ny raiko sy ny rainao; koa indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin’i Basa, mpanjakan’ny Israely, mba hialany amiko. Nanaiky ny tenin’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ireo lehiben’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; dia nandrava an’Iona sy i Dana sy i Abela-Maima ary ny trano fitahirizana rehetra izay teny amin’ny tanànan’ny Naftaly izy ireo. Nony ren’i Basa izany dia nitsahatra tsy nanamboatra an’i Rama intsony izy fa natsahany ny asany. Namory ny Joda rehetra i Asa mpanjaka avy eo; dia nesorin’ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’i Basa, ka noentiny nanamboarana an’i Geba sy Mizpa. Tamin’izany andro izany dia nankeo amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda, i Hanany mpahita ka niteny taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ny mpanjakan’i Arama fa tsy niankina tamin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ny mpanjakan’i Arama. Tsy marobe va ny Kosita sy ny Lobita, ary tsy marobe koa va ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’NY TOMPO dia natolony teo an-tananao ireo. Fa ny mason’NY TOMPO dia mijery eny tontolo eny manerana ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy. Adala ianao tamin’izany ka hisy ady hahazo anao manomboka izao. Dia tezitra tamin’ilay mpahita i Asa ka nanao azy tao an-tranomaizina; fa nisafoaka taminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’i Asa noho izay. Ary indro, ny tantaran’i Asa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely. Tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Asa dia narary tamin’ny tongony izy ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy dia tsy nitady NY TOMPO fa ny mpitsabo ihany. Ary nodimandry any amin’ny razany i Asa; maty izy tamin’ny taona fahiraika amby efapolo nanjakany. Dia nalevina tao amin’ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’i Davida ka nampandriana teo amin’ny fandriana efa nofenoina zavamanitra samihafa voaharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, sady nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy. I Josafata, zanak’i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hifanandrina tamin’ny Israely izy. Namponina miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra manerana ny tanin’i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ny tanin’i Joda sy tany amin’izay tanànan’i Efraima efa azon’i Asa rainy. Ary NY TOMPO nomba an’i Josafata satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy tamin’ny voalohany izy fa tsy mba nitady ireo Baala; fa NY TOMPO, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nandehanany, fa tsy mba araka ny fanaon’ny Israely. Koa nampitoerin’NY TOMPO teo an-tanany ny fanjakana; ary nitondra fanomezana ho an’i Josafata ny Joda rehetra ka nanana harena sy voninahitra be izy. Ary nihanatoky tamin’ny lalan’NY TOMPO ny fony dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny toerana fanaovana sorona sy ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha. Ary tamin’ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka teo aminy izy, dia i Benaila, i Obadia, i Zakaria, i Netanela ary i Mikaia, hampianatra any amin’ny tanànan’i Joda. Ary nisy levita koa niaraka tamin’ireo, dia i Semaia, i Netania, i Zebadia, i Asahela, i Semiramota, i Jonatana, i Adonia, i Tobia ary i Toba-Adonia, mbamin’i Elisama sy i Jorama, mpisorona. Ary nampianatra tany Joda izy ireo ka noentiny ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO, dia nitety ny tanànan’ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin’ny olona. Ary nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra NY TOMPO ka tsy nisy niady tamin’i Josafata ireo. Ary ny Filistina sasany dia nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’i Josafata; ny Arabo koa dia nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy fitonjato sy fito arivo sy osilahy fitonjato sy fito arivo. Ary nihanahery indrindra i Josafata ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitahirizana tany Joda. Nanana fananana betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy ary koa miaramila sy lehilahy mahery tany Jerosalema. Toy izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin’ny Joda dia i Adna mpitarika ary lehilahy mahery telo hetsy no niaraka taminy; teo anilany i Johanana mpitarika ary valo alina sy roa hetsy no niaraka taminy; teo anilany indray dia i Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’NY TOMPO ary lehilahy mahery roa hetsy no niaraka taminy. Tamin’ny Benjamina dia i Eliada, lehilahy mahery, ary lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga no niaraka taminy; teo anilany dia i Jozabada ary valo alina sy iray hetsy efa voaomana hiady no niaraka taminy. Ireo no nanompo teo amin’ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin’ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda manerana ny tanin’i Joda rehetra. Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba. Koa nony ela dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman’osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ny olona nanaraka azy i Ahaba dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-Gileada. Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay. Hoy anefa i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Miangavy anao aho, anontanio aloha ny tenin’NY TOMPO. Ary ny mpanjakan’ny Israely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka niteny taminy hoe: Handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka. Ary hoy kosa anefa i Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’NY TOMPO koa va eto mba hanontaniantsika? Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. Ary niantso tandapa iray ny mpanjakan’ny Israely ka niteny taminy hoe: Antsoy haingana i Mikaia, zanak’i Jimla. Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria sady samy efa niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany. Ary i Zedekia, zanak’i Kenana, dia nanao tandroka vy ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ireto no hanotoanao ny Arameana mandra-paharingany. Ary ny mpaminany rehetra koa dia naminany hoe: Mandehana ho any Ramota-Gileada dia hambinina ianao; fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka. Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray teny avokoa izao ny mpaminany ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka; koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny iray amin’ireo ka mba mitenena soa koa. Dia hoy i Mikaia: Raha velona koa NY TOMPO dia izay lazain’Andriamanitro ihany no hambarako. Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary hoy izy: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tanànareo izy. Hoy koa ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ny anaran’NY TOMPO afa-tsy izay marina ihany? Dia hoy i Mikaia: Hitako fa indreny, ny Israely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy NY TOMPO: Tsy manan-tompo ireto ka aoka izy samy hody soa amantsara any an-tranony avy. Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy fa loza ihany? Ary hoy i Mikaia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO: Nahita NY TOMPO nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany aho, ary ny tafiky ny lanitra manontolo dia nijoro teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany. Ary hoy NY TOMPO: Iza no hamitaka an’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, handeha ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny iray dia niteny toy izao ary ny iray hafa kosa dia niteny toy izao. Dia nandroso ny fanahy iray ka nitsangana teo anatrehan’NY TOMPO sady niteny hoe: Izaho no hamitaka azy. Ary hoy NY TOMPO taminy: Amin’inona anefa? Dia hoy izy: Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray NY TOMPO: Ho voafitakao izy ka hahomby ianao; mandehana ka ataovy araka izany. Koa indro, ankehitriny NY TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto ary Izy no efa nilaza ny loza hanjo anao. Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, dia namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no lalana nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko mba hiteny aminao? Dia hoy i Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin’ny andro hitetezanao efitrano mba hierenao. Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely: Sambory i Mikaia ka ento miverina ho any amin’i Amona, mpifehy ny tanàna, sy ho any amin’i Joasy, zanaky ny mpanjaka ary lazao hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Ataovy ao an-tranomaizina Ilehio ka fahano mofom-pijaliana sy ranom-pijaliana izy mandra-piveriko soa amantsara. Fa hoy i Mikaia: Raha toa ka ho tafaverina soa amantsara ianao dia tsy nampitenenin’NY TOMPO aho. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra. Dia niakatra nankany Ramota-Gileada ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda. Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia manaova ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady. Fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandidy ireo lehiben’ny kalesy fitondrany miady hoe: Aza miady na amin’ny kely na amin’ny lehibe, afa-tsy amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany. Nony nahita an’i Josafata ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ny Israely. Dia nohodidininy izy mba hasiany, kanjo niantsoantso i Josafata ary namonjy azy NY TOMPO; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy. Rehefa hitan’ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady fa tsy izy no mpanjakan’ny Israely dia niverina niala taminy ireo. Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany; ary hoy izy tamin’ny lehiben’ny kalesiny: Ahodino ny kalesy fitondra miady ka ento miala eto amin’ny mpiady aho fa voa. Nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; ary notohanana ny mpanjaka mba hijoro teo amin’ny kalesiny nanatrika ny Arameana mandra-paharivan’ny andro ny mpanjakan’ny Israely; nefa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy. Niverina soa amantsara ho any an-tranony tany Jerosalema i Josafata, mpanjakan’ny Joda. Niainga hitsena azy i Jeho, zanak’i Hanany mpahita ka niteny tamin’i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala NY TOMPO va no tokony ho tianao? Koa izany no mahatezitra NY TOMPO aminao. Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ny tany ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’Andriamanitra ianao. Nitoetra tany Jerosalema i Josafata; ary nandeha nitety ny olona indray izy hatrany Bery-Sheba ka hatrany amin’ny tany be havoana any Efraima ka nampiverina ny olona ho amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany. Ary nanendry mpitsara tamin’ny tany izy, dia tamin’ny isan-tanàna mimanda manerana ny tanin’ny Joda, ka niteny tamin’izy ireo hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’olona no hitsaranareo fa ho an’NY TOMPO, sady momba anareo ao amin’ny fitsarana Izy. Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra NY TOMPO; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’NY TOMPO Andriamanitsika, na fizahan-tavan’olona, na fandraisana kolikoly. Tany Jerosalema koa no nanendren’i Josafata ny sasany tamin’ny levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely ho amin’ny fitsaran’NY TOMPO sy ny adin’olona, fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin’izay, dia nandidy azy ireo izy hoe: Izao no hataonareo amin’ny fahatahorana NY TOMPO sy amin’ny fahamarinana ary amin’ny fo mahitsy: Na inona na inona ady avy amin’ny rahalahinareo izay monina amin’ny tanànany, na ny amin’ny mahafaty aina, na ny amin’ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samihafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin’NY TOMPO, fandrao iharan’ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy dia tsy ho meloka ianareo. Ary indro, i Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin’ny raharahan’NY TOMPO rehetra; i Zebadia, zanak’Ismaela, mpifehy ny taranak’i Joda, kosa no ho lehibenareo amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ho mpifehy hanampy anareo ny levita. Mahereza ka mahefà, ary NY TOMPO anie homba izay manao ny tsara. Nony afaka izany dia avy hiady amin’i Josafata ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’ny Meonita. Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy. Dia natahotra i Josafata ka nanatrika tsara hitady NY TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra. Dia niangona hangataka famonjena amin’NY TOMPO ny Joda; eny, ny avy tamin’ny tanànan’i Joda rehetra no tonga hitady NY TOMPO. Ary nijoro teo amin’ny fiangonan’i Joda sy i Jerosalema, tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anoloan’ny kianja vaovao, i Josafata ka niteny hoe: RY TOMPO, Andriamanitry ny razanay ô, tsy Ianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Ianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny Jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana ka tsy misy mahasakana Anao. Ry Andriamanitray ô, tsy Ianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Israely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao? Ary nonina teto izy ka nanao fitoerana masina ho an’ny anaranao teto sady nilaza hoe: Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay, fa ny anaranao no amin’ity trano ity, koa raha hitaraina aminao amin’ny fahorianay izahay dia hihaino Ianao ka hamonjy. Koa indreo, ny taranak’i Amona sy i Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra Seìra, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ny Israely, fony izy nivoaka avy tany Ejipta ka nivily fa tsy nandringana azy; nefa indreo, mamaly ratsy anay izy ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay. Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Ianao no andrandrain’ny masonay. Ny Joda rehetra mbamin’ny vady aman-janany koa dia samy nijoro teo anatrehan’NY TOMPO. Ary i Jahaziela, zanak’i Zakaria, zanak’i Benaia, zanak’i Jeiela, zanak’i Matania, levita amin’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’NY TOMPO teo anivon’ny fiangonana ka niteny hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina eto Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’NY TOMPO aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra. Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo dia hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny tany efitr’i Jeroela. Tsy ianareo anefa no hiady any; mijoroa tsara fa ho hitanareo ny hamonjen’NY TOMPO anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa NY TOMPO no momba anareo. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema koa dia niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO ka nivavaka. Dia nitsangana hidera NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tamin’ny feo mahery indrindra, ny levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraìta. Ary nifoha vao maraina izy ireo dia niainga nankany an-tany efitr’i Tekoa; teo am-piaingàna dia nitsangana i Josafata ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny dia hambinina ianareo. Rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy dia nanendry mpihira ho an’NY TOMPO hidera Azy amin’ny fihaingoana masina raha mandeha eo anatrehan’ny olona efa voaomana hiady izy ireo ka izao no holazainy: Miderà NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony. Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo dia nanaovan’NY TOMPO vela-pandrika ny taranak’i Amona sy i Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seìra izay avy hamely ny Joda ka resy ireo. Dia nitsangana ny taranak’i Amona sy i Moaba ka namely ny avy any an-tendrombohitra Seìra ary namono sy nandringana azy; nony voaringany ny mponina tany Seìra dia nifandringana ihany koa izy samy izy. Nony tonga teo amin’ilay fitazanana any an-tany efitra ny Joda dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ny tany satria tsy nisy afa-nandositra. Ary avy hamabo azy i Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy fitafiana ary fanaka sarobidy teo izy ka namabo mihoatra noho izay zakany hoentina; hateloana no nanangonany ny babo fa be dia be tokoa ireny. Tamin’ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ny lohasaha Beraka izy fa tany no nisaorany NY TOMPO; koa izay no nanaovany izany toerana izany hoe lohasaha Beraka mandraka androany. Dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema ary nitarika azy tamin’ny fifaliana hankany Jerosalema indray i Josafata, fa NY TOMPO nampifaly azy ny amin’ny fahavalony. Niditra tao Jerosalema nitondra valiha sy lokanga ary trompetra izy ka nankao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia nahazo ny fanjakana rehetra manodidina ny fahatahorana an’Andriamanitra, nony reny fa NY TOMPO no niady tamin’ny fahavalon’ny Israely. Ary nandry fehizay ny fanjakan’i Josafata; fa nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy. Nanjaka tamin’ny Joda i Josafata; dimy amby telopolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Azoba, zanakavavin’i Sily. Nandeha tamin’ny lalana nalehan’i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’izany fa nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO; kanefa tsy mba noravana ireo toerana fanaovana sorona; fa ny olona dia tsy mbola nampitodika ny fony hitady ny Andriamanitry ny razany. Ary ny tantaran’i Josafata sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia indro, voasoratra ao amin’ny tenin’i Jeho, zanak’i Hanany, izay nakambana ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely, izany. Nefa nony afaka izany dia nikambana tamin’i Ahazia, mpanjakan’ny Israely, izay nanao izay ratsy, i Josafata, mpanjakan’ny Joda; ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy ka tao Eziona-Gebera no nanaovany azy. Ary naminany ny amin’i Josafata i Eliezera, zanak’i Dodavaho, avy any Maresa hoe: Noho ny nikambananao tamin’i Ahazia dia horavan’NY TOMPO ny asanao. Dia nisy fahavakiana ny sambo ka tsy afaka nankany Tarsisy. Ary nodimandry any amin’ny razany i Josafata ka nalevina tao amin’ny razany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy. Nanana rahalahy, zanak’i Josafata, koa izy, dia i Azaria, i Jehiela, i Zakaria, i Azaria, i Mikaela ary i Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Israely. Nomen’ny rainy harena betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ny tanàna mimanda sasany tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’i Jehorama, satria izy no lahimatoa. Nefa raha vao nanjaka tamin’ny fanjakan’ny rainy i Jehorama dia nitombo hery ka namono tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra mbamin’ny mpanapaka sasany tamin’ny Israely. Roa amby telopolo taona i Jehorama raha nanomboka nanjaka ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema. Nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely izy, dia tahaka ny nataon’ny taranak’i Ahaba, fa zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy. Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany. Tamin’ny andron’i Jehorama no nikomian’ny Edomita tsy hanoa ny Joda fa nanangana mpanjaka ho azy izy. Dia niainga i Jehorama sy ireo mpanapaka sy ny kalesy fitondrany miady rehetra; ary nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy fitondra miady. Nefa ny Edomita dia mbola nikomy ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Tamin’izany andro izany koa dia nikomy tsy nety nanoa an’i Jehorama i Libna, satria efa nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy. Nanao toerana fanaovana sorona teny amin’ny tendrombohitr’i Joda koa i Jehorama sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema no nitaona ny Joda mangingina hanao izany. Ary nisy soratra avy tamin’i Elia mpaminany tonga tao aminy nilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ny lalan’i Josafata rainao, na ny lalan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ny taranak’i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao, dia indro, hasian’NY TOMPO areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ireo vadinao mbamin’ny biby fiompinao rehetra; ary ho azon’ny aretina mafy koa ianao, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-pivoakan’ny tsinainao isanandro isanandro noho ny aretina. Ary NY TOMPO nampirisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ny Kosita hamely an’i Jehorama. Niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ny ankohonan’ny mpanjaka mbamin’ny zanany sy ny vadiny koa ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy i Joahaza faralahiny ihany. Nony afaka izany rehetra izany, dia nasian’NY TOMPO aretina tsy azo sitranina tamin’ny tsinainy izy. Afaka elaela, izany hoe roa taona, dia nivoaka tsikelikely ny tsinainy noho ny aretiny; koa maty tamin’ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany dia tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ny razany. Roa amby telopolo taona izy, raha nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa tsy nisy nalahelo azy. Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka. Roa amby roapolo taona i Ahazia, raha nanomboka nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Atalia, zanakavavin’i Omry. Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy. Dia nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO toy ny taranak’i Ahaba izy; satria ireny no nanome saina azy taorianan’ny nahafatesan’ny rainy ka nampidi-doza taminy. Ny saina nomen’ireo azy no narahiny ka niara-nandeha tamin’i Jorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izy, hiady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tao Ramota-Gileada; ary nahavoa an’i Jorama ny Arameana. Dia niverina tao Jezirela izy nitondra ny feriny hotsaboina tamin’ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jorama, zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda satria narary izy. Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazia tamin’ny nankanesany nankany amin’i Jorama. Nony tonga izy dia niara-niainga tamin’i Jorama mba hitsena an’i Jeho, zanak’i Nimsy, izay nohosoran’NY TOMPO handringana ny taranak’i Ahaba. Ary tamin’ny namalian’i Jeho ny taranak’i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin’i Ahazia, izay nanompo an’i Ahazia, ka novonoiny. Ary nitady an’i Ahazia koa izy; kanefa nisy nahita izy, raha mbola niery tany Samaria ka noentina ho any amin’i Jeho; novonoin’ny olona izy ka naleviny; fa hoy ireo: Zanak’i Josafata, ilay nitady NY TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity. Tsy nahatana ny fanjakana ny terak’i Ahazia. Nony hitan’i Atalia, renin’i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny taranaky ny mpanjaka rehetra tamin’ny taranak’i Joda. Fa i Joseba, zanakavavin’ny mpanjaka, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao amin’ny efitrano fandriana. Nafenin’i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, vadin’i Joiada mpisorona, izy, fa anabavin’i Ahazia mantsy Ravehivavy, mba tsy ho hitan’i Atalia, dia tsy voavonony izy. Ary niery nandritra ny enin-taona tao aminy tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy, fa i Atalia no nanjaka tamin’ny tany. Tamin’ny taona fahafito dia nandray fanapahan-kevitra i Joiada ka nanao fanekena tamin’ny mpifehy zato, dia i Azaria, zanak’i Jerohama, Ismaela, zanak’i Johanana, i Azaria, zanak’i Obeda, i Mahaseia, zanak’i Adaia ary i Elisafata, zanak’i Zikry. Nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita avy tany amin’ny tanànan’ny Joda rehetra sy ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely dia tonga tany Jerosalema ireo. Vory tao ny olona rehetra dia nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ary hoy i Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’NY TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida. Izao no hataonareo: Ny ampahatelonareo izay milatsaka amin’ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny levita, dia ho mpiandry varavarana; ny ampahatelonareo dia ho ao an-tranon’ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo dia ho eo amin’ny vavahadin’ny Fanorenana. Ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO. Fa aza avela hisy hiditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO afa-tsy ny mpisorona sy ny levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain’NY TOMPO hotandremana. Ary ny levita dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; koa na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary araho ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany. Ny levita sy ny Joda rehetra dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata; fa tsy nandrava ny antokony i Joiada mpisorona. Ary nomen’i Joiada mpisorona ho an’ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’i Davida mpanjaka, izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra. Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano. Dia noentiny nivoaka ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra, sady notolorany ny Vavolombelona, dia nampanjakainy. Ary nanosotra azy i Joiada sy ny zanany ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! Nony ren’i Atalia ny tabataban’ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy. Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana! Fa nasain’i Joiada navoakan’ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, izy ka hoy izy tamin’ireo: Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina eto amin’ny tranon’NY TOMPO izy. Ary nisambotra azy ny olona, dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny tao izy. Ary i Joiada dia nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho olon’NY TOMPO. Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao an-tranon’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra dia notorotoroiny avokoa ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala. Dia nanendry olona hitandrina ny tranon’NY TOMPO i Joiada mba hofehezin’ny levita mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, hanolotra ny fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao. Ary nalatsany teo am-bavahadin’ny tranon’NY TOMPO ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao. Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; dia noentiny nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, koa ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; dia nametraka ny mpanjaka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana izy. Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fehizay ny tanàna, fa efa novonoiny tamin’ny sabatra i Atalia. Fito taona i Joasy raha nanomboka nanjaka ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Zibia, avy any Bery-Sheba. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO tamin’ny andro rehetra niainan’i Joiada mpisorona i Joasy. Ary nakan’i Joiada vady roa i Joasy, dia niteraka lahy sy vavy. Nony afaka izany dia tonga tao am-pon’i Joasy ny hanamboatra ny tranon’NY TOMPO. Dia namory ny mpisorona sy ny levita izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita. Ary nampaka an’i Joiada, lohany tamin’ireo, ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ny levita no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ho ao amin’ny tabernakelin’ny vavolombelona, araka ny didin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny fiangonan’ny Israely? Fa ny zanak’i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, dia efa nandrava ny tranon’Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO koa dia efa nateriny ho an’ireo Baala. Ary nasain’ny mpanjaka nanao vata iray ny olona, dia napetrany teo ivelan’ny vavahadin’ny tranon’NY TOMPO izany. Ary nandefa teny nanerana ny Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’NY TOMPO ny hetra izay nasain’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, haloan’ny Israely, fony izy tany an-tany efitra. Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka manontolo ka nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin’ny vata ambara-pahafenony. Tamin’ny andro nitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny toniany izay voatendrin’ny mpanjaka, rehefa hitany fa be ny vola, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny toniany izay voatendrin’ny Mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ny fitoerany indray. Toy izany hatrany no nataony ka nahavory vola betsaka izy. Ary nomen’ny mpanjaka sy i Joiada ho an’izay nanao ny raharahan’ny tranon’NY TOMPO ny vola ka nanakaramany ireo tambato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboarana ny tranon’NY TOMPO. Dia niasa ny mpiasa ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon’Andriamanitra ka nataony mafy. Nony vitany izany dia noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ny tranon’NY TOMPO, dia fanaka hoenti-manao fanompoam-pivavahana sy manolotra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanolotra fanatitra dorana manontolo tao amin’ny tranon’NY TOMPO mandrakariva izy tamin’ny andron’i Joiada rehetra. Tratra antitra sy ela niainana i Joiada vao maty: Telopolo amby zato taona izy vao maty. Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida tao amin’ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ny Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tranony. Rehefa maty i Joiada dia avy ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka. Ary nandao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoan’ireo. Naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’NY TOMPO; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy. Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Joiada mpisorona ka nitsangana teo amin’ny avoavo teo anatrehan’ny vahoaka ary niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’NY TOMPO ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy NY TOMPO ianareo dia nahafoy anareo kosa Izy. Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO araka ny tenin’ny mpanjaka. Toy izany no tsy nahatsiarovan’i Joasy mpanjaka ny soa nataon’i Joiada rainy taminy, satria namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: NY TOMPO anie hijery sy hamaly izao. Nony niherina ny taona dia avy ny miaramilan’i Arama hiady aminy; tonga tany Joda sy Jerosalema izy ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ny olona ary nalefany ho any amin’ny mpanjakan’i Damaskosy ny babony rehetra. Vitsy ny miaramilan’ny Arameana izay tonga teo, nefa NY TOMPO nanolotra miaramila maro ho eo an-tanany noho ny nahafoizan’ny Joda NY TOMPO, Andriamanitry ny rainy. Toy izany no nahatanterahan’ireo ny famaliana an’i Joasy. Ary nony nilaozany tamin’ny faharariana mafy izy, dia nikomy taminy ny mpanompony noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona ka namono azy teo am-pandrianany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Ireto avy no nikomy taminy: I Zabada, zanak’i Simata amonita, sy i Jozabada, zanak’i Simrita moabita. Ny amin’ny zanany sy ny hamafin’ny faminaniana izay nilaza ny loza hanjo azy, ary ny nanamboarany ny tranon’Andriamanitra, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjaka izany. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy. Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Joadana, avy any Jerosalema. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tamin’ny fony manontolo. Nony tafapetraka tsara tamin’ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy. Nefa ny zanak’ireo namono dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna, ao amin’ny bokin’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy, fa samy ho faty amin’ny fahotany avy ny olona. Dia novorin’i Amazia ny Joda ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’i Joda sy i Benjamina rehetra: Dia nisainy ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe. Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ny Israely nokaramainy talenta volafotsy zato. Nefa nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tao aminy ka nilaza hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ny Israely; fa tsy omban’NY TOMPO ny Israely, dia ny taranak’i Efraima rehetra. Fa mandehana ihany ianao ka miadia ary mahereza amin’ny ady; fa hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo. Fa hoy i Amazia tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Koa hataontsika ahoana ny amin’ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ny Israely? Ary hoy ilay lehilahin’Andriamanitra taminy: Mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany NY TOMPO. Dia navahan’i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ny Efraima mba hody indray any amin’ny taniny; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ireo tamin’ny Joda, dia lasa nody izy ireo sady tezitra mafy. Ary nitombo hery i Amazia, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ny Lohasahantsira ary nahafaty iray alina tamin’ny taranak’i Seìra izy. Nahazo sambo-belona iray alina koa ny taranak’i Joda, dia noentiny teo an-tampon’ny harambato ary navariny teo ka montsamontsana izy rehetra. Fa ireo miaramila izay nampodìn’i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’i Joda hatrany Samaria ka hatrany Bety-Horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka. Nony niverina avy nanafika ny Edomita i Amazia dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’i Seìra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy. Dia nirehitra tamin’i Amazia ny fahatezeran’NY TOMPO ka naniraka mpaminany iray ho any aminy Izy hanontany azy hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny Jentilisa, izay tsy naharo akory ny olony tamin’ny tananao aza? Rehefa niteny taminy izy dia novalìny hoe: Moa voatendrinay ho mpanolotsaina ny mpanjaka va ianao? Aoka itsỳ ange, fandrao asian’ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka niteny hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro. Naka hevitra i Amazia, mpanjakan’ny Joda, koa nandefa iraka tany amin’i Joasy, zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Avia, aoka isika hifanandrina. Fa nandefa iraka tany amin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, i Joasy, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Ny tsilo izay tany Libanona dia nandefa iraka tamin’ny hazo sedera izay tany Libanona nilaza hoe: Omeo ny zanako lahy ny zanakao vavy ho vadiny. Nefa dia nisy bibidia tany Libanona nandalo teo ka nanosihosy ny tsilo. Lazainao fa namely an’i Edoma ianao ka nirehareha ny fonao; mitoera ihany ao an-tranonao, fa nahoana no hihantsy ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’i Joda koa ianao? Tsy nanaiky anefa i Amazia, satria avy tamin’Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tanan’ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita. Dia niakatra i Joasy, mpanjakan’ny Israely; ary nihaona tao Bety-Semesy izay an’i Joda izy sy i Amazia, mpanjakan’ny Joda. Dia resy teo anoloan’ny Israely ny Joda ka samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy izy ireo. Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Joahaza, dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy ka noentiny nankany Jerosalema; nandravan’i Joasy efajato hakiho ny mandan’i Jerosalema hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo an-jorony. Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao amin’ny tranon’Andriamanitra tao amin’i Obeda-Edoma sy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny olona natao antoka koa, izay izy vao niverina ho any Samaria. Ny andro niainan’i Amazia zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, taorianan’ny nahafatesan’i Joasy, zanak’i Joahaza, mpanjakan’ny Israely, dia dimy amby folo taona. Ary ny tantaran’i Amazia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indro, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Israely va izany? Hatramin’ny andro nihemoran’i Amazia tsy nanaraka NY TOMPO dia nikomy taminy ny olona tany Jerosalema ka nandositra nankany Lakisy izy; nefa nandefa iraka hanaraka azy tany ny olona ka namono azy. Ary nasampiny tamin’ny soavaly ny fatiny dia naleviny tao amin’ny razany tao an-tanànan’i Joda. Ary ny vahoakan’ny Joda rehetra dia naka an’i Ozia, izay enina amby folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy. Izy no nanamboatra indray an’i Elota ka nampody azy ho an’ny Joda, rehefa nodimandry any amin’ny razany ny mpanjaka. Enina amby folo taona i Ozia raha nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Amazia rainy. Nitady an’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Zakaria, izay nahafantatra ny fahatahorana an’Andriamanitra; ary tamin’ny andro nitadiavany NY TOMPO dia nambinin’Andriamanitra izy. Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina. Ary Andriamanitra nanampy azy tamin’ny namelezany ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gora-Baala ary ny Meonita. Nandoa hetra ho an’i Ozia ny Amonita; dia niely hatrany akaiky an’i Ejipta ny lazany satria tonga mahery indrindra izy. Nanorina tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ny vavahady eo an-jorony sy teo amin’ny vavahady mankao amin’ny lohasaha sy teo an-jorony i Ozia ka nanamafy azy. Nanorina tilikambo tany an-tany efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, fa nanana omby aman’ondry betsaka tany Sefela sy teny an-tanety izy sady nanana mpiasa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra ary tany Karmela, fa tia asa tany izy. Nanana miaramila maro, izay nanao antokony vonona hanafika i Ozia, dia araka ny isany izay nandaminan’i Jeiela mpitantsoratra sy i Mahaseia mpifehy azy ka nofehezin’i Hanania, iray tamin’ny mpitarika voatendrin’ny mpanjaka. Eninjato sy roa arivo ny isan’ny lohan’ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa. Ary ny miaramila fehezin’ireo dia dimanjato sy fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, ary nanampy ny mpanjaka niady tamin’ny fahavalony ireo. Ary i Ozia dia nanamboatra ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo. Namorona milina fiadiana lehibe tany Jerosalema koa izy, natao araka ny marika vitan’ny manam-pahaizana manokana izany, ary natao hapetraka eo amin’ny tilikambo sy eo an-tampon’ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia; fa nahagaga tokoa ny nanampian’Andriamanitra azy ka tonga mahery izy. Nony nahery anefa izy dia niavonavona ny fony ka nanao izay ratsy izy, ary nivadika tamin’NY TOMPO Andriamaniny ka niditra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO handoro ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. Fa niditra nanaraka azy kosa i Azaria mpisorona mbamin’ny valopolo lahy amin’ny mpisoron’NY TOMPO, dia lehilahy samy mahery avokoa. Ary nanohitra an’i Ozia mpanjaka ireo ka niteny taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’NY TOMPO, fa an’ny mpisorona ihany, dia ny taranak’i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ny fitoerana masina fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra izany. Dia nisafoaka i Ozia, ary nisy lovia handoroany ditin-kazo manitra teny an-tanany; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy dia nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anilan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. Nitodika nijery azy i Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra, koa indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo haingana izy; nefa ny tenany koa dia mba niala teo haingana ihany, satria NY TOMPO no namely azy. Ary i Ozia mpanjaka dia boka mandra-pahafatiny ka nitoetra teo amin’ny trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony izy. Dia i Jotama zanany no nanapaka ny tao an-dapa sady nitondra ny vahoaka. Ny tantaran’i Ozia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza. Ary nodimandry any amin’ny razany i Ozia, dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny saha misy ny toeram-pandevenana ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy. Dimy amby roapolo taona i Jotama raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay nataon’i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO izy. Ary mbola nanao izay ratsy ihany ny vahoaka rehetra. Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina asa rafitra betsaka tamin’ny mandan’i Ofela koa. Nanorina tanàna teny amin’ny tany be havoana any Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ala koa izy. Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’izany taona izany ny taranak’i Amona dia nanome azy talenta volafotsy zato ary karazam-barimbazaha samihafa, iray alina kora avy; izany no naloan’ny taranak’i Amona ho azy tamin’ny taona faharoa sy fahatelo koa. Dia nitombo hery i Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’NY TOMPO Andriamaniny izy. Ary ny tantaran’i Jotama sisa mbamin’ny adiny rehetra sy ny nataony rehetra, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely sy ny Joda izany. Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nodimandry any amin’ny razany i Jotama, dia nalevina tany an-Tanànan’i Davida izy; ary i Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy. Roapolo taona i Ahaza raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema; tsy nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO tahaka an’i Davida rainy izy fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely sady nanao sarin-javatra voarendrika ho an’ireo Baala koa. Nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma koa izy ary ny zanany dia nodorany tamin’ny afo, araka ny fahavetavetan’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely. Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona sy teny an-tampon’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra koa. Natolotry NY TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Arama izy; koa nasian’io izy ka nahalasany babo betsaka noentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny Israely koa izy; nasian’io mafy izy ka resiny koa. Fa i Peka, zanak’i Remalia, dia nahafaty olona roa alina sy iray hetsy tamin’ny Joda tao anatin’ny indray andro, izay lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ireny NY TOMPO, Andriamanitry ny razany. Ary i Zikry, lehilahy mahery tamin’ny Efraima, dia namono an’i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy i Azrikama, mpanapaka ny tao an-dapa, ary i Elkana, izay lefitry ny mpanjaka. Ary nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany ny Zanak’Israely, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa, dia noentiny tany Samaria ireny. Ary nisy mpaminanin’NY TOMPO tao, Odeda no anarany, ary izy io dia nandeha hitsena ny miaramila raha nankany Samaria ireo ka niteny tamin’ireo hoe: E! Ny fahatezeran’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tanànareo, dia novonoinareo ireny tamin’ny fahatezerana manakatra ny lanitra. Ary ankehitriny, ny taranak’i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovavinareo; koa tsy mba manan-keloka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo koa va ianareo? Ankehitriny, mihainoa ahy ka avereno ny babo izay efa noentinareo avy tamin’ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO. Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin’ny taranak’i Efraima, dia i Azaria, zanak’i Johanana, i Berekia, zanak’i Mesilemota, i Jehizkia, zanak’i Saloma ary i Amasa, zanak’i Hadlay, ka niteny nanohitra azy ireo izay vao tany an-tafika hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’NY TOMPO; efa be ny fahadisoantsika ka iharan’ny fahatezerana mirehitra ny Israely. Dia navelan’ny miaramila ho eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony, koa ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy dia nampiakanjoiny tamin’ny zavatra azo babo; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany diloilo sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa ka noentiny tany Jeriko, tanàna be hazo palma, ho any amin’ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy. Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Arama nangataka azy hanampy azy. Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy. Ary ny Filistina koa dia nanafika ny tanàna tany Sefela sy tany Negeva izay momba an’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy, i Aialona, i Gederota, i Soko sy ny vohitra miankina aminy, i Timna sy ny vohitra miankina aminy ary i Gimzo koa sy ny vohitra miankina aminy; ary nonina tao izy. Fa NY TOMPO nampietry ny Joda noho i Ahaza, mpanjakan’ny Israely, satria efa nanaram-po nanao izay ratsy teo amin’i Joda i Ahaza ka nivadika tamin’NY TOMPO. Ary tonga tao aminy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Arama, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy. Fa efa nalain’i Ahaza ny zavatra tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny tao an-tranon’ny mpanjaka sy ny an’ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan’i Arama, nefa tsy nahasoa azy akory izany. Tamin’ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso tamin’NY TOMPO ihany io Ahaza mpanjaka io. Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo andriamanitr’i Damaskosy izay namely azy izy ka nilaza hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’i Arama, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Israely rehetra ireo. Ary nanangona ny fanaky ny tranon’Andriamanitra i Ahaza ka nanapotipotika azy ary nandrindrina ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina alitara teny amin’ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema. Ary teny amin’ny tanànan’i Joda rehetra dia nanaovany toerana fanaovana sorona handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy. Ary ny tantarany sisa sy izay nataony rehetra, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indreo, voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Israely izany. Ary nodimandry any amin’ny razany i Ahaza, dia nalevina tao an-tanànan’i Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’ny Israely. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy. Dimy amby roapolo taona i Hezekia raha nanomboka nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Abia, zanakavavin’i Zakaria. Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Davida rainy. Tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO izy ka nanamboatra izay simba tao. Ary nampidiriny tao ny mpisorona sy ny levita ka nangoniny teo amin’ny kianja malalaka teo atsinanana. Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo levita, koa hamasino ny tenanareo izao, hamasino koa ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ny fitoerana masina ny zava-maloto rehetra. Fa nikomy sy nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO Andriamanitsika ny razantsika ary nahafoy Azy ka niamboho ny fonenan’NY TOMPO. Ary narindriny ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, dia novonoiny ny jiro sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary tsy natolony tao amin’ny fitoerana masina ho an’Andriamanitry ny Israely ny fanatitra dorana manontolo. Dia nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’NY TOMPO, koa izany no nanaovany izao zavatra mampihorohoro sy ho figagana ary ho zavatra mampihivingivina toy izao hitan’ny masonareo izao. Fa e! Lavon’ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika ary ny vadintsika dia efa babo noho izany. Koa efa ato am-poko ny hanao fanekena amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra. Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin’NY TOMPO hijoro eo anatrehany hanompo Azy ka ho mpanao fanompoam-pivavahana sy ho mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy. Dia nitsangana ny levita, dia i Mahata, zanak’i Amasay sy i Joela, zanak’i Azaria avy amin’ny taranaky ny Kehatita; avy amin’ny taranak’i Merary dia i Kisy, zanak’i Abdia, sy i Azaria, zanak’i Jehalalila; avy amin’ny Gersonita dia i Joa, zanak’i Zima sy i Edena, zanak’i Joa; avy amin’ny taranak’i Elizafana dia i Simry sy i Jeiela; avy amin’ny taranak’i Asafa dia i Zakaria sy i Matania; avy amin’ny taranak’i Hemana dia i Jehiela sy i Simey; avy amin’ny taranak’i Jedotona dia i Semaia sy i Oziela. Ary namory ny rahalahiny izy dia samy nanamasina ny tenany avy ireo ka tonga, araka ny didin’ny mpanjaka, noho ny tenin’NY TOMPO mba hanadio ny tranon’NY TOMPO. Ary niditra tao amin’ny efitra anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona mba hanadio azy, koa navoakany ho eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO ny zava-maloto rehetra izay hitany tao an-tempolin’NY TOMPO. Nandray ireny kosa ny levita ka navoakany ho any amin’ny lohasahan-driaka Kidrona. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy ary tamin’ny andro fahavalo tamin’io volana io dia niditra teo amin’ny lalantsara an’NY TOMPO izy ireo; dia nanamasina ny tranon’NY TOMPO tamin’ny havaloana izy ireo; ary tamin’ny andro fahenina amby folo tamin’ny volana voalohany no nahavitany azy. Dia niditra tao amin’i Hezekia mpanjaka izy ireo ka niteny hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon’NY TOMPO sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo atao fanatitra mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa. Ary ny fanaka rehetra izay nozimbazimbain’i Ahaza mpanjaka tamin’ny fahotana vitany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo, eo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO izy. Dia nifoha vao maraina i Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna ary niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Nitondra vantotra ombilahy fito, ondrilahy fito, zanak’ondry fito ary osilahy fito izy ho fanatitra noho ny ota ho an’ny fanjakana sy ho an’ny fitoerana masina ary ho an’i Joda. Ary ny mpisorona, taranak’i Arona, dia nasainy nanolotra ireo teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO. Dia novonoiny ny vantotra ombilahy, ary noraisin’ny mpisorona ny ra ka nafafiny tamin’ny alitara; novonoiny koa ny ondrilahy dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany; novonoiny koa ny zanak’ondry dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany. Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana; dia novonoin’ny mpisorona ireo ka ny rany dia nataony teo amin’ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; fa ho an’ny Israely rehetra no nasain’ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota. Ary ny mpanjaka dia nametraka ny levita tao amin’ny tranon’NY TOMPO mba hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’i Davida mpanjaka sy i Gada, mpahitan’ny mpanjaka, sy i Natana mpaminany; fa izany no didin’NY TOMPO nampitondrainy ny mpaminaniny. Nitsangana teo ny levita nitondra ny zavamanenon’i Davida, ary teo koa ny mpisorona izay nitondra ny trompetra. Ary nasain’i Hezekia natolotra teo ambonin’ny alitara ny fanatitra dorana manontolo; koa raha vao natomboka ny fanolorana ny fanatitra dorana manontolo dia natomboka koa ny fihirana ho an’NY TOMPO sy ny fitsofana ny trompetra niaraka tamin’ny zavamanenon’i Davida, mpanjakan’ny Israely. Niankohoka ny fiangonana manontolo, nihira ny mpihira, ary ny mpitsoka trompetra dia nitsoka, mandra-pahavitan’ny fanatitra dorana manontolo. Nony efa nitsahatra ny fanolorana izany dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin’izay rehetra niaraka taminy. Nasain’i Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka hihira sy hidera NY TOMPO tamin’ny teny namboarin’i Davida sy i Asafa mpahita ny levita. Ary nihira fiderana tamin-kafaliana izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka. Ary hoy i Hezekia: Efa nanokana ny tenanareo ho an’NY TOMPO ianareo izao, koa manatòna ka mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana manontolo. Ny isan’ny fanatitra dorana manontolo izay noentin’ny fiangonana dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak’ondry roanjato; natao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo rehetra ireo. Ary ny zavatra nohamasinina dia omby eninjato sy ondry aman’osy telo arivo. Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana manontolo rehetra, dia nanampy azy ny levita rahalahiny mandra-pahavitan’ny raharaha sy ny nanamasinan’ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny levita dia nazoto kokoa tamin’ny fanamasinana ny tenany noho ny mpisorona. Ary be koa ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina ampiarahina amin’ny fanatitra dorana manontolo. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary faly i Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin’Andriamanitra ho an’ny olona, satria tampoka no nanaovana izany raharaha izany. Nandefa iraka tany amin’Israely sy i Joda rehetra i Hezekia ary nanoratra taratasy ho amin’i Efraima sy i Manase koa mba hankanesany any amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Ary ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin’ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin’ny hitandremana ny Paska amin’ny volana faharoa. Nefa tsy nahatandrina azy izy tamin’izany andro izany, satria vitsy loatra ny mpisorona nanamasina ny tenany, ary ny olona koa dia tsy mbola vory tany Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana manontolo izany, dia nanome didy izy handefa teny manerana ny Israely rehetra hatrany Bery-Sheba ka hatrany Dana mba hankanesan’ny olona hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro dia tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. Dia lasa ny iraka haingam-pandeha nitondra ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Israely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ny mpanjaka hoe: Ry Zanak’Israely ô! Miverena amin’NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely, mba hiverenany ho amin’izay sisa izay tsy azon’ny tanan’ireo mpanjakan’i Arama aminareo. Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ka nanolorany azy ho figagana araka izao hitanareo izao. Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ny razanareo fa atolory NY TOMPO ny tananareo ka midira ao amin’ny fitoerany masina izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. Fa raha miverina amin’NY TOMPO ianareo dia hahazo famindrampo eo anatrehan’izay nitondra ny rahalahinareo sy ny zanakareo ho babo ka ho tafaverina amin’ity tany ity; fa miantra sy mamindra fo NY TOMPO Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy raha miverina Aminy ianareo. Ary nitety ny tanàna hatrany amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase ka hatrany amin’i Zebolona ny iraka haingam-pandeha; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy. Nisy ihany anefa ny olona avy amin’i Asera sy i Manase ary i Zebolona izay nanetry tena ka tonga tany Jerosalema. Ary ny tanan’Andriamanitra ihany koa dia niasa tamin’ny Joda mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’NY TOMPO. Tamin’ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay tena fivoriana lehibe tokoa. Ary nitsangana izy ireo dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary noravany koa ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona. Dia namono ny Paska izy tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana faharoa; ary menatra ny mpisorona sy ny levita dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana manontolo ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary nitsangana teo amin’ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalànan’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra; ary ny mpisorona no namafy ny ra izay teny an-tanan’ny levita. Fa nisy maro ny tao amin’ny fiangonana no tsy mba nanamasina ny tenany, koa ny levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an’NY TOMPO. Fa nisy olona betsaka teo ka maro ny avy tamin’i Efraima, i Manase, i Isakara ary i Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary nivavaka ho an’ireny i Hezekia hoe: RY TOMPO tsara ô, mamelà izay rehetra efa nampitodika ny fony hitady an’Andriamanitra, dia NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ny fitoerana masina aza izy. Ary NY TOMPO nihaino an’i Hezekia ka nahasitrana ny olona. Ary nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ny fifaliana lehibe ny Zanak’Israely izay tany Jerosalema; ary nidera NY TOMPO isanandro ny levita sy ny mpisorona no sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’NY TOMPO. Ary i Hezekia dia nankasitraka ny levita rehetra izay nampiseho fahaizana ho amin’ny raharahan’NY TOMPO; ary nihinana ny Paska nandritra ny hafitoana izy sady nanolotra fanati-pihavanana sy nisaotra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany. Ary niara-nihevitra ny amin’ny hitandremana hafitoana indray ny fiangonana manontolo avy eo ka mbola nitandrina hafitoana koa tamim-pifaliana, fa nanome vantotra ombilahy arivo sy ondry aman’osy fito arivo ho an’ny fiangonana i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; ny mpanapaka koa dia nanome vantotra ombilahy arivo sy ondry aman’osy iray alina ho an’ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany. Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra, ny mpisorona, ny levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ny Israely mbamin’ny vahiny izay avy tany amin’ny tany Israely ary izay nonina tany Joda. Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema. Hatramin’ny andron’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Israely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema. Dia nitsangana ny levita sy ny mpisorona ka nitsodrano ny olona; ary nohenoin’Andriamanitra ny feony ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny vavaka nataony. Nony vita izany rehetra izany dia niainga nankany an-tanànan’i Joda ny Israely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha ary nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny alitara manerana an’i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’Israely rehetra avy eo. Dia nanendry ny antokon’ny mpisorona sy ny levita araka ny antokony avy i Hezekia, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, ny fanati-pihavanana, hanao fanompoam-pivavahana, hisaotra ary hidera eny amin’ny vavahadin’ny tobin’NY TOMPO. Izay hatao fanatitra dorana manontolo rehetra dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, dia ny fanatitra dorana manontolo maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana manontolo atao amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO. Ary nasainy nandoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny levita ny olona izay nonina tany Jerosalema mba hipetrahany tsara amin’ny lalànan’NY TOMPO. Nony niely izany teny izany dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’Israely, dia vary, ranom-boaloboka, diloilo, tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ny fahafolonkarena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no noentiny. Ary ny Israely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’i Joda, dia nitondra ny fahafolonkarena koa, dia omby sy ondry aman’osy, ary ny fahafolon’ny zavatra masina izay nohamasinina ho an’NY TOMPO Andriamaniny, ary natokotokony maro miavosa ireny. Tamin’ny volana fahatelo izy no nanomboka nanokotoko azy, ary tamin’ny volana fahafito no nahavitany azy. Nony avy i Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo zavatra niavosa ireo dia nisaotra NY TOMPO sy ny Israely olony izy. Dia nanontany ny mpisorona sy ny levita momba ireo zavatra niavosa ireo i Hezekia. Ary namaly azy i Azaria mpisoronabe, taranak’i Zadoka hoe: Hatramin’ny nanombohan’ny olona nitondra ny fanomezana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia nihinana izahay ka voky sady be koa ny sisa; satria nitahy ny olony NY TOMPO ka ny sisa ireo betsaka ireo. Dia nasain’i Hezekia nanamboatra efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy; dia namboariny izany. Ary tamin’ny fahamarinana no nampidirany ny fanomezana sy ny fahafolonkarena ary ny zavatra nohamasininy. I Konania levita no mpitahiry ireny, i Simey rahalahiny no lefiny. I Jehiela, i Azazia, i Nahata, i Asahela, i Jerimota, i Jozabada, i Eliala, i Jismakia, i Mahata ary i Benaia, fehin’i Konania sy i Simey rahalahiny, no tonian’ireny, araka ny didin’i Hezekia mpanjaka sy i Azaria, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra. Ary i Kore levita, zanak’i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’Andriamanitra ka hizara ny fanomezana ho an’NY TOMPO sy ny zava-masina indrindra. Ny fehin’i Kore dia i Edena, i Miniamina, i Jesoa, i Semaia, i Amaria ary i Sekania tao amin’ny tanànan’ny mpisorona; adidin’ireo ny hizara ho an’ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely, afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin’ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin’ny anjara raharahany araka ny antokony avy. Ny amin’ny fanoratana ny mpisorona dia nosoratana araka ny fianakaviany avy; ny levita koa dia hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy. Nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra; satria tamin’ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin’ny zavatra masina. Ary ho an’ny mpisorona, taranak’i Arona, koa, izay tany amin’ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin’ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona sy ny levita rehetra voasoratra. Toy izany no nataon’i Hezekia nanerana ny Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina teo anatrehan’NY TOMPO Andriamaniny izy. Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin’ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an’Andriamaniny dia nataony tamin’ny fony manontolo ka nanambinana azy. Taorianan’izany raharaha natao tamim-pahamarinana izany dia avy i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikendry hahazo azy. Nony hitan’i Hezekia fa tonga i Sankeriba ka nikasa hamely an’i Jerosalema dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ry zareo. Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamakivaky eo afovoan’ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano betsaka ny mpanjakan’i Asiria raha avy? Nahazo hery i Hezekia ka namboarina avokoa izay rava tamin’ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny, nasiany manda hafa koa teo ivelany; nanamboatra an’i Milo tao an-Tanànan’i Davida koa izy sady nanao lefona sy ampinga betsaka. Nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin’ny vavahadin’ny tanàna, dia nanao teny fampirisihana taminy hoe: Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’i Asiria sy ny hamaroan’ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa NY TOMPO Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Dia niankina tamin’ny tenin’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ny olona. Rehefa afaka izany dia nirahin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, ny mpanompony hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia, mpanjakan’i Joda, sy ho any amin’i Joda rehetra izay tany Jerosalema, fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa tamin’izay dia nanao fahirano an’i Lakisy, koa hoy izy: Izao no lazain’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo? Tsy i Hezekia ihany va no mampirisika anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza hoe: NY TOMPO Andriamanitsika hamonjy antsika amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria? Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny toerana fanaovana sorona ny sy ny alitarany ary nanome didy ny Joda sy Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny alitara iray no hiankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra? Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tany amin’ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ny tanako? Iza amin’ny andriamanitr’ireo firenena efa natolotra ho zavatra voaozon’ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin’ny tanako? Koa hahavonjy anareo amin’ny tanako va ny Andriamanitrareo? Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo i Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ny tanako? Mbola niteny ratsy NY TOMPO Andriamanitra sy i Hezekia mpanompony ny mpanompon’i Sankeriba sady nanoratra taratasy hihantsy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely sy hiteny ratsy Azy ka niteny hoe: Tahaka ny tsy nahavonjen’ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ny olony tamin’ny tanako no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Hezekia ny olony koa amin’ny tanako. Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny hebreo teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna. Ary ny filazany ny Andriamanitr’i Jerosalema dia toy ny filazany ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa, izay asan’ny tanan’olona ihany. Noho izany fitrangan-javatra izany dia nivavaka i Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nitaraina tamin’ny lanitra. Ary NY TOMPO naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny mpitarika teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria ka lasa nody tamin-kenatra i Sankeriba. Nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy dia novonoin’ny zanany naterany tao tamin’ny sabatra. Toy izany no namonjen’NY TOMPO an’i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin’ny tanan’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, sy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin’ny manodidina rehetra Izy. Ary maro no nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO tany Jerosalema ary nanome zava-tsoa ho an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; dia nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy hatramin’izay. Indray andro dia narary efa saika maty i Hezekia, koa nivavaka tamin’NY TOMPO izy, ary niteny taminy NY TOMPO ka nanome azy famantarana. Kanefa tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy i Hezekia; fa niavonavona ny fony dia niharan’ny fahatezerana izy mbamin’ny Joda sy Jerosalema. Kanefa nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ny fony i Hezekia, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema ka tsy niharan’ny fahatezeran’NY TOMPO izy ireo fony fahavelon’i Hezekia. Ary nanana harena sy voninahitra be indrindra i Hezekia; dia nanao trano fitahirizana izy hitahirizany ny volafotsy, ny volamena, ny vatosoa, ny zavamanitra, ny ampinga mbamin’izay fanaka tsara rehetra, ary nanao tanàna fitahirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, ary nanamboatra trano miefitrefitra hitoeran’ny biby fiompy samihafa karazana ary vala hitoeran’ny ondry aman’osy koa izy. Nanorina tanàna maro koa izy sady nanana ondry aman’osy ary omby betsaka, satria nomen’Andriamanitra fananana be indrindra. Ary notampenan’io Hezekia io ny fivoahan’ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin’ny tany hidina mahitsy ho any andrefan’ny Tanànan’i Davida ilay rano. Ary nambinina tamin’ny asany rehetra i Hezekia. Nefa noho ny amin’ny irak’ireo mpanapaka tany Babilona, izay nandefa iraka tany aminy mba hanontany ny amin’ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny tany, dia nilaozan’Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy mba hahalalany izay rehetra tao am-pony. Ary ny tantaran’i Hezekia sisa mbamin’ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin’ny fahitan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, sy ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Israely izany. Ary nodimandry any amin’ny razany i Hezekia, dia nalevina tao amin’ny fiakarana ho any amin’ny fasan’ny zanak’i Davida; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema dia nanome voninahitra azy tamin’ny nahafatesany. Ary i Manase zanany no nanjaka nandimby azy. Roa amby folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka ny fahavetavetan’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely. Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona, izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ireo Baala izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ka nanompo azy sady nanorina alitara tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’NY TOMPO hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ny anarako mandrakizay. Fa nanorina alitara maromaro teo anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’NY TOMPO izy ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra. Ary nampamakivakìny ny afo tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinoma ny zanany no sady nanandro no nanao sikidy no nitana ody ary naka ireo izay milaza azy ho mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; nahery nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tokoa izy ka nampahatezitra Azy. Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao amin’ny tranon’Andriamanitra, izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Solomona zanany hoe: Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ny fokon’Israely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay; ary tsy hampandeha ny tongotry ny Israely hiala amin’ny tany izay efa notendreko ho an’ny razanareo intsony Aho, raha mba mitandrina koa izy ka hanatanteraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an’i Mosesy. Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema i Manase mba hanao izay ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy. Dia noentin’NY TOMPO hamely azy ny komandin’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Asiria, ary nosamborin’ireo i Manase ka nasiany farango vy sady nasiany gadra varahina ary noentiny ho any Babilona. Nony azom-pahoriana mafy izy vao nifona tamin’NY TOMPO Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’Andriamanitry ny razany ka nivavaka taminy; ary NY TOMPO nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin’ny fanjakany. Dia fantatr’i Manase fa NY TOMPO no Andriamanitra. Rehefa afaka izany dia nanao manda teo ivelan’ny Tanànan’i Davida izy, teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ny fidirana amin’ny vavahadin-kazandrano; nataony manodidina an’i Ofela io sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho mpitarika ny miaramila ho any amin’ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy. Dia nesoriny ireo andriamanitra hafa sy ny sampy tao amin’ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny alitara rehetra izay efa naoriny tany amin’ny tendrombohitry ny tranon’NY TOMPO sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan’ny tanàna. Dia nanorina ny alitaran’NY TOMPO indray izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, sady nanome didy ny Joda hanompo NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Fa ny olona dia mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany, kanefa kosa ho an’NY TOMPO Andriamaniny izany. Ny tantaran’i Manase sisa mbamin’ny vavaka nataony tamin’Andriamaniny sy ny tenin’ireo mpahita izay niteny taminy tamin’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, indro, ao amin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany. Ary ny vavaka nataony sy ny naneken’Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ny toerana izay nanorenany toerana fanaovana sorona sy nananganany tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ny tenin’i Hozay izany. Ary nodimandry any amin’ny razany i Manase, dia nalevina tao an-tranony izy; ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy. Roa amby roapolo taona i Amona raha nanomboka nanjaka ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tahaka ny nataon’i Manase rainy ihany izy; satria ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon’i Manase rainy dia namonoan’i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny; tsy nanetry tena teo anatrehan’NY TOMPO tahaka ny nataon’i Manase rainy izy fa mainka nanota bebe kokoa aza. Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony. Fa ny vahoaka kosa dia namono izay rehetra efa nikomy tamin’i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an’i Josia zanany hisolo azy. Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy ka nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy fa tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia. Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia nanomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy; ary tamin’ny taona faharoa amby folo dia nanomboka nanadio an’i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy toerana fanaovana sorona, na tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra voarendrika intsony. Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Baala; ny fandoroana ditin-kazo manitra izay teo amboniny dia nazerany; ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra voarendrika dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo izay namono zavatra hatao fanatitra ho azy. Ary nandoro ny taolan’ny mpisorona teo ambonin’ny alitarany izy, dia nanadio an’i Joda sy Jerosalema. Tany amin’ny tanànan’ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin’ny Naftaly, dia tao amin’ny tanànany izay rava teny amin’ny manodidina, dia noravany koa ny alitara sy ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha; ny sarin-javatra voasokitra dia nomongomongoiny ho vovoka; ny fandoroana ditin-kazo manitra manerana ny tanin’ny Israely rehetra dia nazerany; dia niverina ho any Jerosalema izy. Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakany izy, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’i Safana, zanak’i Azalia, sy i Mahaseia, mpifehy ny tanàna, ary i Joa, zanak’i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, mba hanamboatra ny tranon’NY TOMPO Andriamaniny. Rehefa tonga teo amin’i Hilkia mpisoronabe izy ireo dia natolony ny vola izay nampidirina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, izay nangonin’ny levita, mpiandry varavarana, tamin’ny Manase, ny Efraima, ny sisa rehetra tamin’ny Israely, tamin’ny Joda, ny Benjamina rehetra ary ny mponina tany Jerosalema. Ary natolony ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin’ny tranon’NY TOMPO izany, dia natolotr’ireo ho an’ny mpiasa izay niasa tao amin’ny tranon’NY TOMPO kosa izany hanamboarana sy hanamafisana ny Trano; dia nomeny ho an’ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby ary lampihazo ho amin’ny trano izay nosimban’ny mpanjakan’ny Joda. Nanao ny asa tamim-pahamarinana ny olona; ary ny voatendry hifehy azy dia i Jahata sy i Obadia levita, avy tamin’ny taranak’i Merary, i Zakaria sy i Mesolama, avy tamin’ny taranaky ny Kehatita ary ny levita rehetra izay nahay ny zavamaneno isan-karazany. Ireo no tonian’ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin’ny taozavatra samihafa rehetra; ary avy tamin’ny levita koa dia nisy mpitantsoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana. Rehefa navoaka ny vola izay nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, i Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO, ilay nampilazaina an’i Mosesy. Dia niteny tamin’i Safana mpitantsoratra i Hilkia hoe: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ny boky. Ary nitondra ny boky ho any amin’ny mpanjaka i Safana sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon’ny mpanomponao dia nataony avokoa. Ary narotsany ny vola izay azo tao amin’ny tranon’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny olona voatendry sy teo an-tanan’ny mpiasa. Nilaza tamin’ny mpanjaka koa i Safana mpanoratra hoe: Misy boky nomen’i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka ny boky. Rehefa ren’ny mpanjaka ny tenin’ny lalàna dia nandriatra ny fitafiany izy sady nandidy an’i Hilkia sy i Ahikama, zanak’i Safana, i Abdona, zanak’i Mika, i Safana mpitantsoratra ary i Asaia, mpanompon’ny mpanjaka, ka niteny hoe: Andeha manontany amin’NY TOMPO ho ahy sy ho an’izay sisa amin’ny Israely sy ny Joda ny amin’izay lazain’ity boky vao hita ity; fa mafy ny hatezeran’NY TOMPO naidiny tamintsika noho ny tsy nitandreman’ny razantsika ny tenin’NY TOMPO, handeha araka izay rehetra voasoratra ao amin’ity boky ity. Ary i Hilkia sy izay notendren’ny mpanjaka dia nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tokehata, zanak’i Hasra, mpitahiry ny fitafiana, fa nitoetra tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy, ary niresaka izany taminy izy ireo. Dia hoy Ravehivavy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Lazao amin’izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy amin’ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin’ilay boky efa novakina teo anatrehan’ny mpanjakan’ny Joda. Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an’ireo andriamanitra hafa sady nampahatezitra Ahy tamin’izay rehetra nataon’ny tanany, dia haidina amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy ho maty vonoina. Fa ny amin’ny mpanjakan’ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin’NY TOMPO, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny amin’ny teny izay efa novakinao, satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra raha nandre ny teniny ny amin’ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, Izaho koa efa nihaino, hoy NY TOMPO. Koa indro, hangoniko any amin’ny razanao ianao ary hangonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra hoentiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ny mpanjaka izy ireo. Ary nandefa iraka ny mpanjaka hamory ny loholon’ny Joda sy Jerosalema rehetra. Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ny lehilahy rehetra tamin’i Joda, ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary ny mpanjaka dia nijoro teo amin’ny toerany, dia nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO hanaraka Azy ka hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hankatò ny tenin’ny fanekena izay voasoratra ao amin’izany boky izany izy, nasainy hifikitra tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nandeha araka ny faneken’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany. Nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’Israely i Josia sady nanome didy izay rehetra teo amin’ny Israely hanompo NY TOMPO Andriamaniny. Tamin’ny andro rehetra niainan’i Josia dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ny olona. Nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an’NY TOMPO i Josia; namono ny Paska ny olona tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany. Ary nanendry ny mpisorona ho amin’ny anjara raharahany avy i Josia ka nampirisika azy hanao ny fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary hoy izy tamin’ny levita izay mpampianatra ny Israely rehetra sady efa masina ho an’NY TOMPO: Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Israely, ny vata masina misy ny Fanekena; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny Israely olony; ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’i Davida, mpanjakan’ny Israely, sy araka ny voasoratr’i Solomona zanany koa. Ary mitsangàna eo amin’ny fitoerana masina araka ny fizaran’ny fianakavian’ny rahalahinareo amin’ny vahoaka sy araka ny fizaran’ny fianakavian’ny levita. Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo ka manamboara ho an’ny rahalahinareo mba handehanana araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Mosesy. Ny vahoaka izay nivory teo dia nomen’i Josia zanak’ondry sy zanak’osy telo alina, sy omby telo arivo; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka ireo, ary hatao Paska avokoa. Nanome an-tsitrapo ho an’ny olona sy ho an’ny mpisorona ary ny levita koa ny mpanapaka. Ary nanome ondry aman’osy eninjato sy roa arivo ary omby telonjato kosa ho an’ny mpisorona hatao Paska i Hilkia sy i Zakaria ary i Jehiela, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra. Ary nanome ondry aman’osy dimy arivo sy omby dimanjato ho an’ny levita hatao Paska i Konania, i Semaia, i Netanela rahalahiny, i Hasabia, i Jeiela ary i Jozabada, lehiben’ny levita. Koa dia vonona ny zavatra rehetra; ary nitsangana teo amin’ny toerany avy ny mpisorona, ary ny levita koa araka ny antokony avy, araka ny didin’ny mpanjaka. Dia novonoin’ny olona ny Paska, ary nafafin’ny mpisorona ny ra teny an-tanany, fa ny levita kosa no nanendaka ny hoditry ny biby voavono. Dia natokany ny fanatitra dorana manontolo homena ny olona araka ny fizaran’ny fianakaviany, mba hatolony ho fanatitra ho an’NY TOMPO araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy. Toy izany koa tamin’ny omby. Ary nandrahoina tamin’ny afo araka ny fanao ny Paska; fa ny zava-masina kosa dia nandrahoiny tao anaty vilany sy vilany be ary vilany kely, dia nozarainy haingana tamin’ny olona rehetra ireo. Rehefa vita izany dia nanamboatra izay ho an’ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak’i Arona, no nanolotra ny fanatitra dorana manontolo sy ny saborany mandra-pahalin’ny andro; ny levita kosa no nanamboatra ny Paska ho an’ny tenany sy ny mpisorona, taranak’i Arona. Ary ny mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa ary i Hemana sy i Jedotona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ny fanompoany ireo, koa ny levita rahalahiny no nanamboatra ho azy. Dia vonona androtr’izay avokoa izay hanaovana ny fanompoana NY TOMPO amin’ny hitandremana ny Paska sy ny hanolorana ny fanatitra dorana manontolo eo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO araka ny tenin’i Josia mpanjaka. Ary ny Zanak’Israely izay vory teo dia nitandrina ny Paska tamin’izay fotoana izay sy ny andro firavoravoana hafitoana, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ny Israely na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ny Israely rehetra dia tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’i Josia sy ny mpisorona sy ny levita ary ny Joda rehetra sy ny Israely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema. Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Josia no nitandremana izany Paska izany. Rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’i Josia ny Trano, dia niakatra i Neko, mpanjakan’i Ejipta, hiady tany Karkemisy eo amoron’i Eofrata; ary niainga hiady aminy i Josia. Fa nandefa iraka ho any aminy i Neko hilaza hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’i Joda? Tsy hiady aminao izao anio izao aho fa amin’ny fahavaloko, sady nasain’Andriamanitra handeha haingana aho; koa aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao matiny ianao. Tsy nety nihodina niala teo aminy anefa i Josia fa nody olon-kafa mba hiady aminy ka tsy nety nihaino ny tenin’i Neko, izay nampilazain’Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin’ny lohasahan’i Megido. Ary nahavoa an’i Josia mpanjaka ny mpandefa tsipìka; dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Ento miala eto aho fa voa mafy. Dia nesorin’ny mpanompony tamin’izany kalesy fitondra miady izany izy ka napetrany teo amin’ny kalesiny fitondra miady faharoa ary noentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary nisaona an’i Josia ny Joda sy Jerosalema manontolo. Nanao hira fisaonana an’i Josia koa i Jeremia, ary ny mpihira lahy sy ny mpihira vavy rehetra dia mahatsiahy an’i Josia mandraka androany raha manao hira fisaonana, koa nataony fanao teo amin’ny Israely ireny; ary indro, voasoratra ao amin’ireo hira fisaonana izany. Ary ny tantaran’i Josia sisa mbamin’ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, dia ny asany hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely sy ny Joda izany. Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza, zanak’i Josia, ka nataony mpanjaka tany Jerosalema handimby ny rainy. Telo amby roapolo taona i Joahaza raha nanomboka nanjaka ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Nesorin’ny mpanjakan’i Ejipta tany Jerosalema izy sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana. Dia nampanjaka an’i Eliakima, rahalahin’i Joahaza, tamin’ny Joda sy Jerosalema ny mpanjakan’i Ejipta, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary i Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka noentiny ho any Ejipta. Dimy amby roapolo taona i Joiakima raha nanomboka nanjaka ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO Andriamaniny izy. Ary i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin’ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babilona. Ny fanaka sasany tao amin’ny tranon’NY TOMPO koa dia noentin’i Nebokadnezara ho any Babilona ka nataony tao amin’ny tempoliny tany Babilona. Ny tantaran’i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin’izay momba azy rehetra, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’Israely sy i Joda; ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy. Valo amby folo taona i Joiakina raha nanomboka nanjaka ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy. Nony niherina ny taona dia nandefa iraka haka azy mbamin’ny fanaka tsara tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho any Babilona i Nebokadnezara mpanjaka ka nampanjaka an’i Zedekia rahalahin-drainy tamin’ny Joda sy Jerosalema. Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany izay nilaza ny tenin’Andriamanitra. Nikomy tamin’i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony fa tsy niverina ho amin’Andriamanitry ny Israely. Ary ny lehibe rehetra tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka koa dia nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny Jentilisa ka nandoto ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema izay nohamasininy. Kanefa NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany. Kanjo nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny ny olona sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatra ny fahatezeran’NY TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony. Koa noentiny namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra tao amin’ny trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijiny, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tanany avokoa. Ary ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary ny harena tao amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka; ireny rehetra ireny dia noentiny ho any Babilona avokoa. Nodorany koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; nodorany tamin’ny afo koa ny lapan’andriana rehetra tao, ary nosimbany ny fanaka tsara rehetra tao. Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia noentiny ho babo tany Babilona ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persia, hahatanterahana ny tenin’NY TOMPO nampilazaina an’i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitra ny fitopolo taona. Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia ka nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe: Izao no lazain’i Kirosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra eto ambonin’ny tany dia efa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanorina trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? NY TOMPO Andriamaniny anie homba azy, koa aoka hiakatra izy. Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy mpanjakan’i Persia mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia, koa nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy; nataony an-tsoratra izany ary milaza hoe: Izao no lazain’i Kirosy mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany dia efa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary efa nandidy ahy Izy mba hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? Andriamaniny anie homba azy! Aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Izy no Andriamanitra izay any Jerosalema. Ary izay rehetra mijanona, na aiza na aiza toerana misy azy, dia aoka ny tompon-tany ao amin’izay ivahiniany hanome azy volafotsy, volamena, fanaka ary biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra izay any Jerosalema. Dia niainga ny lohan’ny fianakavian’i Joda sy Benjamina mbamin’ny mpisorona sy ny levita, dia izay rehetra efa notairin’Andriamanitra ny fanahiny, mba hiakatra hanao ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema. Izay rehetra manodidina dia nampahery azy ireo tamin’ny fanolorana fanaka volafotsy sy volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’izay rehetra nateriny an-tsitrapo. Dia navoakan’i Kirosy mpanjaka ny fanaky ny tranon’NY TOMPO izay nalain’i Nebokadnezara tany Jerosalema ka nataony tao an-tranon’ny andriamaniny. Ary nasain’i Kirosy mpanjakan’i Persia namoaka ireny i Mitredata mpitahiry ny harenan’ny fanjakana dia nisainy sady natolony an’i Sesbazara, lehiben’ny fokon’i Joda. Izao no isany: Lovia volamena telopolo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roapolo, kapoaka volamena misarona telopolo, lovia volafotsy fiandry folo sy efajato ary lovia hafa koa arivo; efajato sy dimy arivo no isan’ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia noentin’i Sesbazara niaraka tamin’ny babo izay niverina avy tany Babilona nankany Jerosalema. Ireto ireo avy any amin’ny fari-piadidiana niakatra avy tamin’ny fahababoana; nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka noentiny ho any Babilona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy: Izy ireo dia niaraka tamin’i Zerobabela, i Josoa, i Nehemia, i Seraia, i Relaia, i Mordekay, i Bilsana, i Mispara, i Bigvay, i Rehoma ary i Bana. Ny isan’ny lehilahy tamin’ny Israely dia izao: Ny taranak’i Parosy: Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo; ny taranak’i Sefatia: Roa amby fitopolo sy telonjato; ny taranak’i Ara: Dimy amby fitopolo sy fitonjato; ny taranak’i Pahata-Moaba, avy tamin’ny zanak’i Josoa sy i Joaba: Roa amby folo sy valonjato sy roa arivo; ny taranak’i Eliama: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo; ny taranak’i Zato: Dimy amby efapolo sy sivinjato; ny taranak’i Zakay: Enimpolo sy fitonjato; ny taranak’i Bany: Roa amby efapolo sy eninjato; ny taranak’i Bebay: Telo amby roapolo sy eninjato; ny taranak’i Azgada: Roa amby roapolo sy roanjato sy arivo; ny taranak’i Adonikama: Enina amby enimpolo sy eninjato; ny taranak’i Bigvay: Enina amby dimampolo sy roa arivo; ny taranak’i Adina: Efatra amby dimampolo sy efajato; ny taranak’i Atera avy tamin’i Hezekia: Valo amby sivifolo; ny taranak’i Bezay: Telo amby roapolo sy telonjato; ny taranak’i Jora: Roa amby folo amby zato; ny taranak’i Hasoma: Telo amby roapolo sy roanjato; ny taranak’i Gibara: Dimy amby sivifolo; ny taranak’i Betlehema: Telo amby roapolo amby zato; ny mponina tany Netofa: Enina amby dimampolo; ny mponina tany Anatota: Valo amby roapolo amby zato; ny taranak’i Azmaveta: Roa amby efapolo; ny taranak’i Kiriata-Arima sy i Kefira ary i Berota: Telo amby efapolo sy fitonjato; ny taranak’i Rama sy i Gaba: Iraika amby roapolo sy eninjato; ny mponina tany Mikmasy: Roa amby roapolo amby zato; ny mponina tany Betela sy Ay: Telo amby roapolo sy roanjato; ny taranak’i Nebo: Roa amby dimampolo; ny taranak’i Magbisy: Enina amby dimampolo amby zato; ny taranak’ilay Elama iray: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo; ny taranak’i Harima: Roapolo sy telonjato; ny taranak’i Loda sy i Hadida ary i Ono: Dimy amby roapolo sy fitonjato; ny taranak’i Jeriko: Dimy amby efapolo sy telonjato; ny taranak’i Sena: Telopolo sy eninjato sy telo arivo. Ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Jedaia avy tamin’ny ankohonan’i Josoa dia telo amby fitopolo sy sivinjato; ny taranak’Imera: Roa amby dimampolo sy arivo; ny taranak’i Pasora: Fito amby efapolo sy roanjato sy arivo; ny taranak’i Harima: Fito amby folo sy arivo. Izao ny levita: Ny taranak’i Josoa sy i Kadmiela, avy tamin’ny taranak’i Hodavia, efatra amby fitopolo. Ny mpihira dia izao: Ny taranak’i Asafa, nisy valo amby roapolo amby zato. Ny taranaky ny mpiandry varavarana dia izao: Ny taranak’i Saloma, ny taranak’i Atera, ny taranak’i Talmona, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hatita, ny taranak’i Sobay, izay sivy amby telopolo amby zato izy rehetra. Ny Netinima dia izao: Ny taranak’i Ziha, ny taranak’i Hasofa, ny taranak’i Tabaota, ny taranak’i Kerosa, ny taranak’i Siaha, ny taranak’i Padona, ny taranak’i Lebana, ny taranak’i Hagabaha, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hagaba, ny taranak’i Salmay, ny taranak’i Hanana, ny taranak’i Gidela, ny taranak’i Gahara, ny taranak’i Reaia, ny taranak’i Rezina, ny taranak’i Nekoda, ny taranak’i Gazama, ny taranak’i Oza, ny taranak’i Pasea, ny taranak’i Besay, ny taranak’i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, ny taranak’i Bakiboka, ny taranak’i Hakofa, ny taranak’i Harora, ny taranak’i Bazilota, ny taranak’i Mehida, ny taranak’i Harsa, ny taranak’i Barkosa, ny taranak’i Sisera, ny taranak’i Tema, ny taranak’i Nezia, ny taranak’i Hatifa. Ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia ireto: Ny taranak’i Sotahy, ny taranak’i Sofereta, ny taranak’i Peroda, ny taranak’i Jala, ny taranak’i Darkona, ny taranak’i Gidela, ny taranak’i Sefatia, ny taranak’i Hatila, ny taranak’i Pokereta-Hazebaima, ny taranak’i Amỳ. Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia roa amby sivifolo sy telonjato. Ireto kosa no niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba-Adana ary Imera; fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ny Israely na tsia. Ny taranak’i Delaia, ny taranak’i Tobia, ny taranak’i Nekoda: Nisy roa amby dimampolo sy eninjato. Ny avy tamin’ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Habaia, ny taranak’i Hakoza, ny taranak’i Barizilay; nampaka-bady avy tamin’ny zanakavavin’i Barizilay gileadita izy io ka notononina araka ny anarany. Nitady ny soratra filazana ny razany ireo nefa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ny fisoronana. Ary nilaza taminy ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray hitondra ny Orima sy Tomima. Ny tontalin’ny olona rehetra dia enimpolo sy telonjato sy roa arivo sy efatra alina, afa-tsy ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny fito amby telopolo sy telonjato sy fito arivo; nisy mpihira lahy sy vavy roanjato teo aminy; ny soavaliny dia enina amby telopolo sy fitonjato; ny ampondrany dia dimy amby efapolo sy roanjato; ny ramevany dia dimy amby telopolo sy efajato; ary ny borikiny dia roapolo sy fitonjato sy enina arivo. Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana, rehefa tonga tao amin’ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo hananganana ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay efa niorenany. Nanome araka izay nananany avy izy ireo mba hanampy ireo kojakoja ho amin’ny asa, dia drakma volamena arivo sy enina alina ary volafotsy dimy arivo mane ary fanamiana mpisorona zato. Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita sy ny sasany tamin’ny vahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mbamin’ny Israely rehetra koa izay samy tao an-tanànany avy. Nony tonga ny volana fahafito dia tafapetraka teny amin’ny tanànany avy ny Zanak’Israely. Dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy ireo. Ary nitsangana i Josoa zanak’i Jozadaka sy ny mpisorona rahalahiny ary i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Israely mba hanolorana fanatitra dorana manontolo eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra. Naoriny teo amin’ilay efa niorenany taloha ihany ny alitara satria natahotra ny tompon-tany izy, avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy, dia ny fanatitra dorana manontolo marain-tsy hariva. Nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sady nanolotra fanatitra dorana manontolo isanandro araka ny isany avy, tahaka ny fanao; araka izay voatendry hatao isanandro avy. Rehefa afaka izany dia nanolotra ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ilay fanao amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin’NY TOMPO izy. Natolony koa ny avy amin’izay rehetra nanolotra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito no niantomboka nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO izy ireo. Nefa tsy mbola napetraka tamin’izay ny fanorenan’ny tempolin’NY TOMPO. Nomena vola ny tambato sy ny mpandrafitra; nomena zavatra hohanina sy hosotroina ary diloilo ny Tiriana sy ny Sidoniana mba hitaterany an-dranomasina hazo sedera, avy any Libanona ka hatrany Jopa, araka ny lalana efa azony tamin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia. Tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nahatongavany tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema dia nanomboka niasa i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, mbamin’ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ny fahababoana ka nanendry ny levita izay hatramin’ny roapolo taona noho miakatra izy ho tonian’ny asa amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia niara-nitsangana i Josoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, mbamin’i Kadmiela sy ny zanany, zanak’i Joda, ho tonian’ny mpiasa tamin’ny tranon’Andriamanitra, ary ny zanak’i Henadada koa mbamin’ny zanany sy ny levita rahalahiny. Rehefa napetraky ny mpanao trano ny fanorenan’ny tempolin’NY TOMPO dia nasaina nidera NY TOMPO ny mpisorona izay efa nanao ny fanamiany sy nitondra trompetra; ny levita zanak’i Asafa kosa dia nitondra kipantsona, araka ny nandidian’i Davida, mpanjakan’ny Israely. Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra NY TOMPO izy satria tsara Izy, ary mandrakizay ny famindrampony amin’ny Israely. Nihoby mafy ny olona rehetra raha nidera NY TOMPO satria vita ny fanorenan’ny tranon’NY TOMPO. Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony indray izany trano izany; nefa maro koa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly. Tsy fantatry ny olona intsony raha fifaliana na fitomaniana no nisy tamin’izany horakoraka be izany satria nihoby mafy ny olona ka re lavitra ny horakoraka. Nony ren’ny fahavalon’ny Joda sy ny Benjamina fa ireo nody avy tamin’ny fahababoana dia efa manangana tempoly ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely dia nanatona an’i Zerobabela sy ny lohan’ny fianakaviana izy ka niteny taminy hoe: Aoka mba hiara-miasa aminareo izahay fa mitady an’Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ny andron’i Esara-Hadona mpanjakan’i Asiria izay nampiakatra anay ho atỳ. Fa namaly azy ireo i Zerobabela sy i Josoa mbamin’ny namany lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely, araka izay didy navoakan’i Kirosy mpanjaka, izay mpanjakan’i Persia, taminay. Dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano ny tompon-tany sady nanarama olona hanome hevitra hanohitra azy mba hahafoana ny heviny, hatramin’ny andro nanjakan’i Kirosy tany Persia ka hatramin’ny nanjakan’i Dariosy mpanjakan’i Persia. Raha vao niakatra nanjaka i Ahasoerosy dia nanoratra ho any aminy ireo, hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema. Tamin’ny andron’i Artaksersesy no nanoratan’i Bislama sy i Mitredata ary i Tabela mbamin’ny namany sisa ho any amin’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia; ary ny soratra tamin’ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra arameana sady nataony teny arameana koa. I Rehoma mpanolotsaina sy i Simsay mpitantsoratra no nanoratra ny taratasy toy izao ho any amin’i Artaksersesy mpanjaka mba ho fanendrikendrehana an’i Jerosalema: I Rehoma mpanolotsaina sy i Simsay mpitantsoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babiloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita, mbamin’ny firenena sisa izay noentin’i Asnapara lehibe sady malaza, ho babo, ary namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin’ny tany sasany etỳ andafin’ny ony Eofrata.... Izao no voadika amin’ny taratasy nampitondrainy ho any amin’i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ andafin’ny ony Eofrata.... Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy izay niakatra avy tany aminao hankaty aminay dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna sady mpikomy no ratsy, mahavita ny mandany izy izao ary efa manamboatra ny fanorenana. Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha haorina io tanàna io ka hatsangana indray ny mandany dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy ka hahatonga fatiantoka ho an’ny fanjakana izany any aoriana. Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin’ny lapan’ny mpanjaka izahay dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana ka nandefa iraka hampahafantatra izao amin’ny mpanjaka izahay, ary mba hojerenao ny boky mirakitra ny tantaran’ny razanao; dia ho hitanao ao amin’ny boky tantara, koa ho fantatrao fa tanàna mpikomy io tanàna io ka nahafatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io. Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io ka vita ny mandany dia tsy hanana fananana amin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata intsony ianao. Dia nampitondrain’ny mpanjaka ho any amin’i Rehoma mpanolotsaina sy i Simsay mpitantsoratra mbamin’ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin’ny tanàna sasany any andafin’ny ony Eofrata ny valiny hoe: Fiadanana.... Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako. Ary nandidy aho ka nasaiko nojerena; dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin’ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io ka nisy fikomiana sy fiokoana niseho tao. Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nitondra ny tany rehetra any andafin’ny ony Eofrata ka nandoavana hetra sy haba ary sara io. Koa mamoaha didy hampitsahatra ireo olona ireo hoe tsy hamboarina io tanàna io raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko. Tandremo tsara fandrao misy tsy ataonareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an’ny fanjakana? Rehefa voavaky teo anatrehan’i Rehoma mpanolotsaina sy i Simsay mpitantsoratra mbamin’ny namany ny taratasin’i Artaksersesy mpanjaka dia niakatra haingana ho any amin’ny Jiosy tany Jerosalema izy ka nampitsahatra azy an-keriny. Dia natsahatra tsy natao ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, mpanjakan’i Persia. Ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakaria, zanak’Ido, dia naminany tamin’ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ny anaran’Andriamanitry ny Israely izay tao aminy. Dia nitsangana i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy i Josoa zanak’i Jozadaka ka nanomboka nanao ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy. Tamin’izany andro izany koa dia nankany amin’izy ireo i Tatenay governoran’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata sy i Setara-Bozenay mbamin’ny namany; koa izao no nolazainy taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hamita io manda io? Izao koa no nolazainay taminy: Iza avy no anaran’ireo lehilahy manao io trano io? Nefa nitsinjo ny loholon’ny Joda ny mason’Andriamaniny ka tsy nisy nahasakana azy ireo mandra-pahatongan’ny teny ho any amin’i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny tamin’izany raharaha izany. Ny dikan’ny taratasy izay nampitondrain’i Tatenay governoran’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata sy i Setara-Bozenay ary ny Afarsekita namany izay etỳ andafin’ny ony Eofrata, ho any amin’i Dariosy mpanjaka. Nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an’i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be! Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ny tany Joda, any amin’ny tranon’Andriamanitra lehibe izahay; trano izay atao amin’ny vato vaventy sady misy hazo alatsaka amin’ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tanany. Dia nanontany ireo loholona ireo izahay hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io? Nanontany ny anaran’izy ireo avy koa izahay mba hampahafantarinay anao ary hosoratanay ny anaran’ny olona izay mitarika azy. Koa izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe iray tamin’ny Israely no nanangana sy nahavita azy. Noho ny razanay nanao izay nahatezitra an’Andriamanitry ny lanitra anefa dia natolony ho eo an-tanan’i Nebokadnezara kaldeana, mpanjakan’i Babilona, izy ireo; izy no nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babilona. Nefa tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy mpanjakan’i Babilona kosa dia namoaka didy i Kirosy mpanjaka mba hananganana indray io tranon’Andriamanitra io. Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’Andriamanitra izay efa nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka noentiny ho any amin’ny tempoly any Babilona dia nalain’i Kirosy mpanjaka tao amin’ny tempolin’i Babilona ka natolotra tamin’ny olona iray antsoina hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora; ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo ka andeha apetraho ao amin’ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka hatsangana eo amin’ilay efa niorenany ihany ny tranon’Andriamanitra. Dia avy i Sesbazara ka nametraka ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’izay andro izay ka mandraka ankehitriny dia efa natsangana ihany izy saingy tsy mbola vita. Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hojerena ny trano fitahirizan-drakitry ny mpanjaka, izay any Babilona, na misy didy nataon’i Kirosy mpanjaka hanaovana io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io na tsia; ary aoka hambarany aminay izay sitrapon’ny mpanjaka ny amin’izany zavatra izany. Dia nandidy ny amin’izany i Dariosy mpanjaka ka nojerena ny trano fitahirizan-taratasy izay nitahirizana ny rakitra tany Babilona. Tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin’ny tanin’ny Mediana no nahitana horonan-taratasy iray ka izao no tantara voasoratra tao: Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy dia namoaka didy izy hoe: Ny amin’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, aoka hatao mihitsy izany ho fanoloran’ny olona fanatitra, aoka hatao mafy ny fanorenany ka ho enimpolo hakiho ny haavony ary enimpolo hakiho koa ny sakany, dia asiana vato vaventy telo andalana sy hazo vaovao iray andalana. Aoka haloa avy amin’ny tranon’ny mpanjaka izay lany. Ary ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy izay nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka noentiny ho any Babilona dia aoka haverina ho any amin’ny tempoly any Jerosalema indray, samy ho amin’ny toerany avy ka aoka hapetraka ao amin’ny tranon’Andriamanitra avokoa ireo. Koa ankehitriny, ry Tatenay governora any andafin’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bozenay mbamin’ny Afarsakita namanareo, izay any andafin’ny ony Eofrata, mihataha ianareo. Aza misakana ny fanaovana io tranon’Andriamanitra io ianareo; aoka ny governoran’ny Jiosy sy ny loholon’ny Jiosy hanao io tranon’Andriamanitra io eo amin’ilay efa niorenany ihany. Ary mamoaka didy ny amin’ny hataonareo amin’ny loholon’ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’Andriamanitra izany aho: Aoka ny harenan’ny mpanjaka, izany hoe ny hetra avy amin’ny any andafin’ny ony Eofrata, no handoavana izay lany marina ho an’ireo lehilahy ireo mba tsy ho azon-tsampona izy. Ary izay zavatra ilainy, na zanak’omby, na ondrilahy, na zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny lanitra, na varimbazaha, na sira, na divay, na diloilo, araka izay andidian’ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isanandro isanandro tsy tapaka mba hanolorany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’Andriamanitry ny lanitra sy mba hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ny zanany. Mamoaka didy aho fa na iza na iza no mandika izao teny izao dia hangalana hazo avy amin’ny tranony ary hatsangana izany dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao fako ny tranony noho izany. Ary Andriamanitra izay efa nampitoetra ny anarany teo anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay manainga ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no namoaka ny didy; aoka hankatoavina marina tokoa izany. Nankatò marina izany teny nampitondrain’i Dariosy ho any aminy izany i Tatenay, governora amin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata, sy i Setara-Bozenay mbamin’ny namany. Dia nanao ny trano ny loholon’ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’i Hagay mpaminany sy i Zakaria, zanak’Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’Andriamanitry ny Israely sy araka ny didin’i Kirosy sy i Dariosy ary i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia. Vita io trano io tamin’ny andro fahatelo tamin’ny volana Adara tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy mpanjaka. Ary ny Zanak’Israely, na ny mpisorona, na ny levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ny fahababoana dia nitokana io tranon’Andriamanitra io tamin’ny fifaliana. Nateriny hitokanana io tranon’Andriamanitra io ny omby zato sy ondrilahy roanjato ary zanak’ondry efajato; ny fanatitra fanadiovana ho an’ny Israely rehetra kosa dia osilahy roa amby folo, araka ny isan’ny fokon’Israely. Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ny firazanany avy sy ny levita ho amin’ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy. Ary ny olona izay nody avy tamin’ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; fa samy efa nanadio ny tenany rahateo ny mpisorona sy ny levita; dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’izay rehetra nody avy tamin’ny fahababoana sy ho an’ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ny tenany. Dia nihinana izany ny Zanak’Israely izay nody avy tamin’ny fahababoana mbamin’izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany mba hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira nandritra ny hafitoana tamin’ny fifaliana izy; fa NY TOMPO efa nampifaly azy sady nampiova ny fon’ny mpanjakan’i Asiria mba hamindra fo aminy ka hampahery ny tanany tamin’ny nanaovany ny tranon’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Israely. Rehefa afaka izany, tamin’ny nanjakan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia, dia niakatra i Ezra, zanak’i Seraia, zanak’i Azaria, zanak’i Hilkia, zanak’i Saloma, zanak’i Zadoka, zanak’i Ahitoba, zanak’i Amaria, zanak’i Azaria, zanak’i Meraiota, zanak’i Zerahia, zanak’i Ozy, zanak’i Bokỳ, zanak’i Abisoa, zanak’i Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona Mpisoronabe. Io Ezra io dia niakatra avy tany Babilona; mpanoradalàna izy sady nahay ny lalànan’i Mosesy izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely; nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamaniny azy. Tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy mpanjaka dia niakatra hankany Jerosalema koa ny sasany amin’ny Zanak’Israely sy ny sasany amin’ny mpisorona mbamin’ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana ary ny Netinima. Ary tonga tany Jerosalema i Ezra tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka. Fa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babilona; ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamaniny taminy. Fa nampiomana ny fony i Ezra mba hitady ny lalànan’NY TOMPO ka hankatò izany ary hampianatra ny Israely ireo didy sy fitsipika. Izao no dikan’ny taratasy izay nomen’i Artaksersesy mpanjaka an’i Ezra mpisorona, ilay mpanoradalàna mahay ny tenin’ny lalànan’NY TOMPO sy ny didiny tamin’ny Israely: I Artaksersesy, mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay tsara ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra. Mamoaka didy aho fa na iza na iza eto amin’ny fanjakako no te hiaraka aminao hankany Jerosalema dia mahazo mandeha izy! Fa efa nirahin’ny mpanjaka ianao sy izy fito lahy mpanolotsainany handinika an’i Joda sy i Jerosalema, araka ny lalànan’Andriamanitrao izay eny an-tananao; ary ianao dia hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotry ny mpanjaka sy ireo mpanolotsaina an-tsitrapo ho an’Andriamanitry ny Israely, izay monina any Jerosalema; ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao avy amin’ny tany Babilona manontolo sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotry ny olona sy ny mpisorona, dia izay atolony an-tsitrapo hanaovany ny tranon’Andriamaniny, izay any Jerosalema. Koa amin’izany dia ividiano omby sy ondrilahy ary zanak’ondry mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina momba azy araka izay ilaina ny ampahany amin’io vola io, ary atero eo ambonin’ny alitara ao amin’ny tranon’Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny. Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ny volafotsy sy ny volamena sisa dia ataovy izany araka ny sitrapon’Andriamanitrareo. Ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema. Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ny tranon’Andriamanitrao dia alao ao amin’ny trano fitahirizan-drakitry ny mpanjaka. Izaho Artaksersesy mpanjaka dia mamoaka didy koa ho amin’ny mpitahiry ny harenan’ny fanjakana rehetra izay any andafin’ny ony Eofrata, fa na inona na inona no ilain’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tanteraho marina izany, na hatramin’ny volafotsy zato talenta, ny varimbazaha zato kora, ny divay zato bata, ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza. Na inona na inona andidian’Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ny tranon’Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany? Mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra, ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Netinima ary ny mpanompo amin’io tranon’Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara. Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara izay hitondra ny olona rehetra any andafin’ny ony Eofrata, dia izay rehetra mahalala ny lalànan’Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo. Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalànan’Andriamanitrao sy ny lalànan’ny mpanjaka dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra. Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitry ny razantsika izay nametraka izany tao am-pon’ny mpanjaka mba hahatsara endrika ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema sady efa nampahazo ahy famindrampo teo anatrehan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ny mpanjaka. Dia nampaherezina aho araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ny Israely mba hiara-miakatra amiko. Ireto no lohan’ny fianakaviana sy ny filazana ny firazanan’ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babilona tamin’ny nanjakan’i Artaksersesy mpanjaka: I Gersoma, avy tamin’ny taranak’i Finehasa; i Daniela, avy tamin’ny taranak’Itamara; i Hatosy avy tamin’ny taranak’i Davida; avy tamin’ny taranak’i Sekania, avy tamin’ny zanak’i Parosy, i Zakaria mbamin’ny namany dimampolo amby zato lahy, voasoratra araka ny firazanany; i Elihoenay, zanak’i Zerahia, avy tamin’ny taranak’i Pahata-Moaba, mbamin’ny namany roanjato lahy; ny zanak’i Jahaziela, avy tamin’ny taranak’i Sekania, mbamin’ny namany telonjato lahy; i Ebeda, zanak’i Jonatana, avy tamin’ny taranak’i Adina, mbamin’ny namany dimampolo lahy; i Jesaia, zanak’i Atalia, avy tamin’ny taranak’i Elama, mbamin’ny namany fitopolo lahy; i Zebadia, zanak’i Mikaela, avy tamin’ny taranak’i Sefatia, mbamin’ny namany valopolo lahy; i Obadia, zanak’i Jehiela, avy tamin’ny taranak’i Joaba, mbamin’ny namany valo amby folo sy roanjato lahy; ny zanak’i Josifia, avy tamin’ny taranak’i Selomita, mbamin’ny namany enimpolo amby zato lahy; i Zakaria, zanak’i Bebay, avy tamin’ny taranak’i Bebay, mbamin’ny namany valo amby roapolo lahy; i Johanana, zanak’i Hakatana, avy tamin’ny taranak’i Azgada, mbamin’ny namany folo amby zato lahy; ary ny avy tamin’ny taranak’i Adonikama dia ireo zandriny tatỳ aoriana; izao avy no anarany: I Elifeleta sy i Jeiela ary i Semaia mbamin’ny namany enimpolo lahy; ary avy tamin’ny taranak’i Bigvay, i Otahy sy i Zaboda, mbamin’ny namany fitopolo lahy. Dia novoriko teo amoron’ny ony mankany Ahava izy ireo ka nilasy teo nandritra ny hateloana izahay; nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho dia nahita fa tsy nisy taranak’i Levy teo na dia iray akory aza. Dia nirahiko i Eliezera, i Ariela, i Semaia, i Elnatana, i Jariba, i Elnatana, i Natana, i Zakaria ary i Mesolama, samy loholona ireo; mbamin’i Joariba sy i Elnatana; samy mpampianatra kosa ireo. Nampitondraiko teny ho any amin’Ido, loholona any Kasifia ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia mba hoentiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’Andriamanitray. Ary araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry iray ho any aminay avy tamin’ny taranak’i Maly, zanak’i Levy, zanak’Israely, ary i Serebia sy ny zanany mbamin’ny rahalahiny, valo amby folo lahy, ary i Hasabia sy Isaia, avy tamin’ny taranak’i Merary, mbamin’ny rahalahiny ary ny zanany roapolo lahy; avy tamin’ny Netinima, izay notendren’i Davida sy ny mpanapaka mba hanompo ny levita, dia roapolo sy roanjato lahy; notononina anarana avokoa ireo. Dia niantso andro fifadian-kanina teo amoron’ny ony Ahava aho mba hampahorianay tena eo anatrehan’Andriamanitray ka hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra. Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay hoe: Mahasoa izay rehetra mitady Azy ny tanan’Andriamanitray; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa dia mamely izay rehetra mahafoy Azy. Dia nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’Andriamanitray; dia nihaino anay Izy. Ary nanokana roa amby folo lahy tamin’ny lehiben’ny mpisorona aho, dia i Serebia sy i Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany, ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ny fanaka, dia fanomezana ho ao amin’ny tranon’Andriamanitray, izay efa natokan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany sy ireo mpanapaka ary ny Israely rehetra izay vory teo; eny, nolanjaiko hatolotra azy ny volafotsy dimampolo sy eninjato talenta, fanaka volafotsy milanja talenta zato, ary volamena talenta zato sy kapoaka volamena misarona roapolo, milanja arivo drakma, ary fanaka varahina tsara roa, sarobidy toy ny volamena. Ary hoy aho taminy: Masina ho an’NY TOMPO ianareo sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny razanareo. Koa miambena ianareo ka tandremo ireny mandra-pandanjanareo azy indray eo anatrehan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana amin’ny Israely any Jerosalema, dia ao amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia noraisin’ny mpisorona sy ny levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba hoentiny ho any Jerosalema ho ao amin’ny tranon’Andriamanitray. Dia niala teo amin’ny ony Ahava izahay tamin’ny andro faharoa amby folo tamin’ny volana voalohany fa hankany Jerosalema; ary ny tanan’Andriamanitray nomba anay, koa Izy no namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanao vela-pandrika teny an-dalana. Nony tonga tany Jerosalema izahay dia nijanona hateloana aloha. Ary tamin’ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tanan’i Meremota, zanak’i Oria mpisorona, tao amin’ny tranon’Andriamanitray; ary teo aminy koa i Eleazara, zanak’i Finehasa; teo amin’izy roa lahy koa i Jozabada, zanak’i Josoa, sy i Noadia, zanak’i Binoy; levita izy roa lahy ireo; voaisa sy voalanja izany rehetra izany; ary voasoratra tamin’izany andro izany ihany ny lanjany rehetra. Ary ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny Israely, dia vantotra ombilahy roa amby folo ho an’ny Israely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ondry fito amby fitopolo ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota: Fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo rehetra ireo. Ny didin’ny mpanjaka kosa dia natolony tamin’ireo solontenany sy ireo governora tamin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary izy ireo dia nampandroso ny olona sy ny tranon’Andriamanitra. Rehefa vita izany rehetra izany dia nanatona ahy ireo mpanapaka ka niteny hoe: Ny Israely sy ny mpisorona ary ny levita dia tsy miavaka amin’ny olona tompon-tany fa mbola manao ny fahavetavetan’ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita, ny Amonita, ny Moabita, ny Ejiptiana ary ny Amorita ihany. Satria efa naka vady ho azy sy ho an’ny zanany lahy tamin’ny zanakavavin’ireo izy ka zary miharoharo amin’ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka azy no nitari-dalana tamin’izany fahadisoana izany. Nony nandre izany zavatra izany aho dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nanongotra ny voloko sy ny volombavako, dia nipetraka tahaka ny torana aho. Nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’Andriamanitry ny Israely ny amin’ny hadisoan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana; ary mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany aho hatramin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva. Nony tamin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva dia nody ny aiko ka nitsangana aho sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, avy eo dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’NY TOMPO Andriamanitro aho ka niteny hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra; fa hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisorona ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny tany hafa, ho fatin-tsabatra sy ho babo ary ho voaroba sy hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao. Koa ankehitriny vao mba niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’NY TOMPO Andriamanitray tamin’ny namelany anay ho nisy sisa niangana tamin’ny nanomezany anay toerana eo amin’ny fitoerany masina, mba hohazavain’Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ny fahandevozanay izahay. Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’Andriamanitray, na dia tamin’ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindrampo eto imason’ireo mpanjakan’i Persia ihany mba hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, inona no holazainay amin’izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay, dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ny tompon-tany sy ny fahavetavetany izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany; koa aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy, na maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay; izay no hampahery anareo ka hihinanareo ny soa avy amin’ny tany ka hamelanareo izany ho lovan’ny taranakareo mandrakizay. Na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Ianao Andriamanitray fa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany, fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritra anay va Ianao ka tsy hisy sisa ho afaka akory? RY TOMPO Andriamanitry ny Israely ô, marina Ianao, matoa izahay no hany sisa niangana tahaka ny amin’izao anio izao. Indreto izahay eto anatrehanao miaraka amin’ny fahadisoanay, kanefa noho izany ihany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay. Raha mbola nivavaka sy nifona i Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra dia nivory teo aminy ny olona marobe avy tamin’ny Israely, na lehilahy na vehivavy mbamin’ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona. Dia hoy i Sekania, zanak’i Jehiela, isan’ny taranak’i Elama, tamin’i Ezra hoe: Efa nanao izay mahadiso teo anatrehan’Andriamanitsika izahay satria naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Israely ny amin’izany zavatra izany. Koa aoka izahay hanao fanekena amin’Andriamanitsika ka hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy araka ny anatra nataon’ireo izay mangovitra noho ny didin’Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany. Mitsangàna fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara ka ataovy izany. Dia nitsangana i Ezra ka nampianiana ny lehiben’ny mpisorona sy ny levita ary ny Israely rehetra fa hanatanteraka izany teny izany; dia nianiana ireo. Dia nitsangana niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Ezra ka nankany amin’ny efitrano nitoeran’i Johanana, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana. Dia nandefa teny manerana an’i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana mba hivory any Jerosalema; ary na iza na iza no tsy tonga ao anatin’ny hateloana araka ny tenin’ny mpanapaka sy ny loholona dia hatao ho zavatra voaozona ny fananany rehetra ary hesorina amin’ny fiangonan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana izy. Nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana fahasivy; nipetraka teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be. Dia nitsangana i Ezra mpisorona ka niteny taminy hoe: Ianareo dia efa nanao izay mahadiso satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ny Israely. Koa mitsora amin’NY TOMPO Andriamanitry ny razanareo ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena. Dia namaly ny fiangonana manontolo ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay. Nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ alatrano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’izany zavatra izany; koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ny fiangonana rehetra ary ny olona rehetra any amin’ny tanànantsika avy izay naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankaty amin’izay fotoanandro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’izany raharaha izany sy ny hialan’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitsika amintsika. I Jonatana zanak’i Asahela sy i Jahaza, zanak’i Tikva ihany no nanohitra izany; niandany taminy koa i Mesolama sy i Sabetahy levita. Fa ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary natokana i Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ny lohan’ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana; dia nipetraka handinika izany raharaha izany izy ireo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo. Nony tonga ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ny lehilahy rehetra izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny. Ny hita teo amin’ny taranaky ny mpisorona fa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia ireto: Ny teo amin’ny taranak’i Josoa, zanak’i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia i Mahaseia, i Eliezera, i Jariba ary i Gedalia; dia nanolo-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sady handoa ondrilahy iray avy ho fanati-panonerany. Ny avy tamin’ny taranak’Imera dia i Hanany sy i Zebedia; ny avy tamin’ny taranak’i Harima dia i Mahaseia, i Elia, i Semaia, i Jehiela ary i Ozia; ny avy tamin’ny taranak’i Pasora dia i Elioenay, i Mahaseia, Ismaela, i Netanela, i Jozabada ary i Elasa. Ny avy tamin’ny levita dia i Jozabada, i Simey, i Kelaia na i Kelita izany mbamin’i Petahia sy i Joda ary i Eliezera. Ny avy tamin’ny mpihira dia i Eliasiba; ary ny avy tamin’ny mpiandry varavarana dia i Saloma sy i Talema ary i Ory. Ny avy tamin’ny Israely kosa dia ireto avy: Ny avy tamin’ny taranak’i Parosy dia i Ramia, i Jizia, i Malkia, i Miamina, i Eleazara, i Malkia ary i Benaia; ary ny avy tamin’ny taranak’i Elema dia i Matania, i Zakaria, i Jehiela, i Abdia, i Jeremota ary i Elia; ny avy tamin’ny taranak’i Zato dia i Elioenay, i Eliasiba, i Matania, i Jeremota, i Zabada ary i Aziza; ny avy tamin’ny taranak’i Bebay dia i Johanana, i Hanania, i Zabay ary i Atlay; ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Mesolama, i Maloka, i Adaia, i Jasoba, i Seala ary i Ramota; ny avy tamin’ny taranak’i Pahata-Moaba dia i Adna, i Kelala, i Benaia, i Mahaseia, i Matania, i Bezalila, i Binoy ary i Manase; ny avy tamin’ny taranak’i Harima dia i Eliezera, i Jisia, i Malkia, i Semaia, i Simeona, i Benjamina, i Maloka ary i Semaria; ny avy tamin’ny taranak’i Hasoma dia i Matenay, i Matata, i Zabada, i Elifeleta, i Jeremay, i Manase ary i Simey; ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Maday, i Amrama, i Oela, i Benaia, i Bedeia, i Keloho, i Vania, i Meremota, i Eliasiba, i Matania, i Matenay, i Jasao, i Bany, i Binoy, i Simey, i Selemia, i Natana, i Adaia, i Maknadebay, i Sasay, i Saray, i Azarela, i Selemia, i Semaria, i Saloma, i Amaria ary i Josefa; ary ny avy tamin’ny taranak’i Nebo dia i Jeiela, i Matitia, i Zabada, i Zebina, i Jadao, i Joela ary i Benaia. Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ireny. Ny tantaran’i Nehemia, zanak’i Hakalia. Tamin’ny volana Kisleo tamin’ny taona faharoapolo, raha tany an-dapa any Sosana aho, dia tonga i Hanany, iray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Joda. Nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy izay sisa afaka tamin’ny fahababoana sy ny amin’i Jerosalema, koa hoy ny navaliny ahy: Ny sisa tamin’ny fahababoana izay any amin’ny fari-piadidiana any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’i Jerosalema sady main’ny afo ny vavahadiny. Rehefa nandre izany teny izany aho dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’alina ho an’ny Zanak’Israely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ny Zanak’Israely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy efa nanota avokoa. Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’i Mosesy mpanomponao. Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo dia hampiely anareo any amin’ny firenena maro Aho; nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako anareo ka hoentiko ho eo amin’ny toerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako ianareo. Ary ireo dia mpanomponao sy olonao izay navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. Koa mitaraina Aminao aho, Tompo ô, mihainoa ny vavaka ataon’ity mpanomponao ity sy ny vavaka ataon’ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ny fahatahorana ny anaranao; hambinina anie ny mpanomponao anio ary aoka hahazo famindrampo eo imason’io lehilahy io aho. Mpitondra kapoaky ny mpanjaka anefa aho tamin’izany. Tamin’ny volana Nisana tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko izany ka natolotro ny mpanjaka. Tamin’izay aho vao mba nalahelo teo anatrehany. Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! Nahoana moa no tsy halahelo tarehy aho raha rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady efa levon’ny afo ny vavahadiny? Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha, izay vao niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany. Ary hoy ny mpanjaka izay nipetraka teo anilan’ny vadiny tamiko: Haharitra hafiriana anefa ny dianao ary rahoviana no hiverina? Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy ka nilaza fotoana taminy aho. Hoy koa aho tamin’ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin’ireo governora any andafin’ny ony Eofrata aho mba hamelany ahy handeha hatrany Joda, omena taratasy ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka koa mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ny manda izay momba ny Trano sy hanaovako ny mandan’ny tanàna ary ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamanitro tamiko. Dia tonga tany amin’ireo governora any andafin’ny ony Eofrata aho ka natolotro azy ny taratasin’ny mpanjaka. Ary naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy ny mpanjaka. Raha nahare izany i Sanibala horonita sy i Tobia amonita mpanompo dia sosotra loatra satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’Israely. Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana. Nifoha tamin’ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy, nefa tsy nisy olona nilazako izay nataon’Andriamanitra tao am-poko mba hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany. Dia nandeha alina aho ka nivoaka ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, tandrifin’ny loharanon’ny dragona sy tamin’ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’i Jerosalema izay rava sy ny vavahadiny izay levon’ny afo. Dia nankany amin’ny vavahadin-doharano sy ny farihin’ny mpanjaka koa aho nefa tsy nisy lalana azon’ilay biby nitaingenako naleha akory. Dia niakatra teo amin’ny lohasahan-driaka aho tamin’ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, dia niverina indray. Tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko anefa ireo mpanapaka; fa hatramin’izay dia tsy mbola nolazaiko tamin’ny Jiosy izany, na tamin’ny mpisorona, na tamin’ny olo-manankaja, na tamin’ny mpanapaka, na tamin’ny vahoaka sisa izay nanao ny asa. Ary hoy aho tamin’izy ireo: Ianareo dia mahita ny fahoriantsika fa rava Jerosalema ary main’ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan’i Jerosalema mba tsy hahavoalatsa antsika intsony. Dia nambarako azy ny tanan’Andriamanitro izay nahasoa ahy sy ny tenin’ny mpanjaka izay nolazainy tamiko koa. Ary hoy izy ireo: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy! Dia nampahery ny tanany hanao izany soa izany izy ireo. Nony ren’i Sanibala horonita sy i Tobia amonita mpanompo ary i Gasema arabo anefa izany dia nanaraby sy nanevateva anay izy hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo? Dia namaly azy aho hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay ka hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema. Dia nitsangana i Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ondry; nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lelam-bavahadiny; hatreo amin’ny tilikambo fiambenan’i Hamea ka hatrany amin’ny tilikambo fiambenan’i Hananela no nohamasininy. Ary teo anilan’ireo dia nandrafitra koa ny vatan-dehilahin’i Jeriko. Teo anilan’ireo indray dia nandrafitra koa i Zakora zanak’Imry. Ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’i Hasena; izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Mesolama, zanak’i Berekia, zanak’i Mesezabela. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Zadoka, zanak’i Bana. Ary teo anilan’io dia nanamboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny lohany ho amin’ny fanompoana ny Tompony. Ny vavahady taloha dia namboarin’i Joiada, zanak’i Pasea, sy i Mesolama, zanak’i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Melatia gibeonita sy i Jadona meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny toerana misy ny sezafiandrianan’ny governora etỳ andafin’ny ony Eofrata. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hanania, izay isan’ny mpanao haro manitra. Nanamafy an’i Jerosalema hatrany amin’ny manda lehibe izy. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Refaia, zanak’i Hora, komandin’ny antsasak’ireo avy amin’ny faritr’i Jerosalema. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Jedaia, zanak’i Haromafa, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hatosy, zanak’i Hasabnia. Ny sasany koa mbamin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana dia namboarin’i Malkia, zanak’i Harima, sy i Hasoba, zanak’i Pahata-Moaba. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Saloma, zanak’i Halohesy, komandin’ny antsasak’ireo avy amin’ny faritr’i Jerosalema, dia izy sy ny zanany vavy. Ny vavahady mankany amin’ny lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ny manda hatrany amin’ny vavahadin-jezika. Ny vavahadin-jezika dia namboarin’i Malkia, zanak’i Rekaba, komandin’ny faritr’i Bety-Hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony. Ny vavahadin-doharano dia namboarin’i Saloma, zanak’i Kola-Hoze, komandin’ny faritr’i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony, ary narafiny koa ny mandan’ny farihy Siloa, teo anilan’ny sahan’ny mpanjaka ka hatrany amin’ny tohatra midina avy any an-Tanànan’i Davida. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Nehemia, zanak’i Azboka, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Bety-Zora, hatreo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida ka hatramin’ny farihy izay natao ary hatrany amin’ny tranon’ny lehilahy mahery. Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy. Teo anilan’io dia nanamboatra koa ireo rahalahiny, dia i Bavay, zanak’i Henadada, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila. Teo anilan’ireo dia nisy namboarin’i Ezera, zanak’i Josoa, komandin’i Mizpa, teo amin’ny tandrifin’ny fiakarana ho any amin’ny trano fitahirizam-piadiana eo amin’ny fiolahana. Teo anilan’io koa i Baroka zanak’i Zabay dia nazoto nanamboatra ny ampahany hatreo amin’ny fiolahana ka hatreny amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisoronabe. Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza, hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka hatrany amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba. Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ny tany lemaka. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Benjamina sy i Hasoba, teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany koa. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Azaria, zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, teo anilan’ny tranony ihany. Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Binoy, zanak’i Henadada, hatramin’ny tranon’i Azaria ka hatreo amin’ny fiolahana eo amin’ny zorony. Ary i Palala zanak’i Ozay koa dia nanamboatra teo amin’ny tandrifin’ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ny tilikambo fiambenana ambony, eo amin’ny tranon’ny mpanjaka, eo akaikin’ny tokotanin’ny trano fiambenana. Teo anilan’io koa i Pedaia, zanak’i Parosy. Ny Netinima izay nonina tany Ofela dia niasa hatreo amin’ny tandrifin’ny vavahadin-drano atsinanana sy ny tilikambo fiambenana. Teo anilan’ireo koa dia nisy namboarin’ny Tekoita, teo amin’ny tandrifin’ilay mandroso eo amin’ny tilikambo fiambenana lehibe ka hatreo amin’ny mandan’i Ofela. Hatreo ambonin’ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ny mpisorona tsirairay ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony avy. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Zadoka, zanak’Imera, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Semaia, zanak’i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Hanania, zanak’i Selemia, sy i Hanona, fahenin’ny zanak’i Zalafa. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Mesolama, zanak’i Berekia, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny efitranony ihany. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Malkia izay isan’ny mpanefy volamena, hatreo amin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpanao varo-mandeha, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatrany amin’ny trano ambony teo an-jorony. Ary ny teo anelanelan’ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ondry no namboarin’ny mpanefy volamena sy ny mpivaro-mandeha. Rehefa ren’i Sanibala fa nataonay ny manda dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehezany ny Jiosy. Dia niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria izy hoe: Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Moa havela hiasa va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo? Ary i Tobia amonita dia teo anilan’i Sanibala ka niteny hoe: Na amboahaolo aza no miakatra eo amin’izay atsangany dia haharava ny manda vato ataony! Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay! Koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony ary aoka ho babo any amin’ny tany izay ahababoany izy! Aza saronana ny helony ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ireo mandrafitra izy ireo. Dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ny antsasany miakatra; satria nafana fo niasa ny olona. Rehefa ren’i Sanibala sy i Tobia mbamin’ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’i Jerosalema ka efa ho voavoatra izay rava dia nirehitra mafy ny hatezerany. Koa niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema ka hanimba ny asa. Dia nivavaka tamin’Andriamanitray izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’alina noho ny fahatahoranay azy. Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana ary be ny korontam-bato sy ny tany; koa dia tsy maharafitra ny manda izahay. Hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy na hahita raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa. Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ireo ka niteny impolo taminay hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo dia miverena atỳ aminay, dia nasiako olona teo amin’ny toerana ambany, teo ivelan’ny manda sy teo ankarihary; eny, nalahatro araka ny fokony avy ny olona ary samy nitana sabatra sy lefona ary tsipìka. Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ny olo-manankaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo izay lehibe sy mahatahotra no tsarovy, koa miadia mba hiaro ny rahalahinareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny vadinareo ary ny tranonareo. Nony ren’ny fahavalontsika fa efa fantatray izany sady efa nofoanan’Andriamanitra ny heviny dia niverina ho any amin’ny manda izahay rehetra, samy ho any amin’ny asanay avy indray. Hatramin’izay andro izay, ny antsasaky ny zatovoko, dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa dia nitana lefona aman’ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ny fianakaviana rehetra amin’ny Joda. Izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany kosa dia samy nanamboatra tamin’ny tanany iray ary nitan-defona kosa tamin’ny tanany ilany. Ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy teny an-tsikinany avy no sady nandrafitra. Ary teo anilako ny mpitsoka ny anjomara. Dia hoy aho tamin’ny olo-manankaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa ka miparitaka eny ambonin’ny manda isika sady mifanalavitra. Koa eo amin’izay toerana andrenesanareo ny feon’ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika. Dia nanao ny asa izahay ary ny antsasany kosa dia nitan-defona hatramin’ny mazava ratsy ka mandra-piposaky ny kintana. Tamin’io andro io koa dia hoy aho tamin’ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ny zatovonareo; hiambina antsika ireo raha alina ary hiasa raha antoandro. Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ny zatovoko sy ny mpiambina izay nanaraka ahy dia samy tsy niala akanjo, fa samy nitana ny fiadiany sy ny rano. Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ny Jiosy rahalahiny. Fa nisy nilaza hoe: Maro izahay mbamin’ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy; koa ta hahazo vary izahay mba hohaninay sy hivelomanay. Nisy koa niteny hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta hahazo vary izahay amin’ny mosary. Ary nisy indray koa nilaza hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ny mpanjaka ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka. Kanefa mba tahaka ny nofon’ny rahalahinay ihany ny nofonay ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na izany aza, indreo izahay manetry ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy ho andevo, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manana izay hoenti-manavotra azy izahay satria lasan’ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay. Dia tezitra indrindra aho raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany. Ary nihevitra tao am-poko aho ka nananatra mafy ny olo-manankaja sy ny mpanapaka ary niteny taminy hoe: Samy mampanjanaka zavatra amin’ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fivoriambe hitsarana azy ireo aho. Hoy aho taminy: Izahay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay izay efa namidy tamin’ny Jentilisa, araka izay azonay natao; fa ianareo kosa, moa hivarotra ny rahalahinareo va ianareo ka hamidinareo aminay va izy? Dia sina izy fa tsy hitany izay havaliny. Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ny fahatahorana an’Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsiana ataon’ny Jentilisa fahavalontsika? Efa nampanjanaka vola sy vary taminy koa izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko. Koa miangavy anareo aho, aoka re hafointsika izany trosa izany! Eny, miangavy anareo aho, avereno aminy anio ihany ny taniny, ny tanim-boalobony, ny tanin’olivany, ny tranony mbamin’ny ampahazaton’ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy. Dia hoy ireo: Eny, haverinay izany ka tsy haka na inona na inona aminy izahay fa hanatanteraka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana azy ireo mba hanatanteraka izany teny izany. Dia nanakopaka ny paosin’akanjoko aho sady niteny hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’Andriamanitra hiala amin’ny tranony sy ny vokatry ny asany ny olona rehetra izay tsy mahatanteraka ny teny natao; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary hoy ny fiangonana manontolo hoe: Amena; sady nidera NY TOMPO izy. Dia nanatanteraka izany teny izany ny olona. Hatramin’ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ny tany Joda, dia hatramin’ny taona faharoapolo ka hatramin’ny taona faharoa amby telopolo nanjakan’i Artaksersesy, roa amby folo taona izay, izaho sy ny rahalahiko, dia tsy mba nihinana izay anjara fiveloman’ny governora. Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ny olona; fa izaho dia tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra. Eny, naharitra nanarina io manda io aho sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. Nisy Jiosy sy mpanapaka dimampolo amby zato teo amin’ny latabatro, afa-tsy ireo izay nankeo aminay avy tamin’ny firenena manodidina anay. Ary ny nokarakaraina ho ahy isanandro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay betsaka samihafa; nefa na dia izany aza, ny anjara fiveloman’ny governora dia tsy mba nilaiko satria navesatra tamin’ny olona ny fanompoana. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity! Rehefa ren’i Sanibala sy i Tobia ary i Gasema arabo mbamin’ny namany fahavalonay fa efa nanarina ny manda aho ka tsy nisy banga intsony teo, kanefa kosa tsy mbola voalatsako ny lelam-bavahady tamin’izany andro izany, dia nandefa iraka ho any amiko i Sanibala sy i Gasema ka niteny hoe: Avia isika hihaona ao amin’izay vohitra iray amin’ny tany lemak’i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy. Dia nandefa iraka hankany aminy kosa aho hilaza hoe: Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra? Kanefa mbola nandefa iraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary mbola namaly azy toy izany hatrany ihany koa aho. Dia nirahin’i Sanibala fanindiminy hankeo amiko ny zatovony, araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin’ny firenena maro izao teny izao sady lazain’i Gasema hoe: Ianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda! Ankehitriny dia ho ren’ny mpanjaka izany teny izany. Koa avia isika hiara-mihevitra. Dia nandefa iraka ho any aminy aho hilaza hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany fa tao am-ponao ihany no namoronanao azy! Fa ta hampatahotra anay izy rehetra ka hoy izy: Ho kivy amin’ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo re aho! Dia tonga tao an-tranon’i Semaia zanak’i Delaia zanak’i Mehetabela aho. Nihidy aman-trano tao izy dia niteny hoe: Andeha isika hiditra ao amin’ny tranon’Andriamanitra ao anatin’ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy; eny, ho avy alina hamono anao izy. Fa hoy aho: Moa tokony handositra va ny lehilahy toa ahy? Ary iza ny olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. Ary hitako fa indro tsy Andriamanitra no naniraka azy fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy satria notambazan’i Tobia sy i Sanibala. Izany no nanambazany azy mba hampitahotra ahy hanaovako izay lazainy ka hanotako mba hahazoany miteny ratsy hanomezany tsiny ahy. Ry Andriamanitro ô, tsarovy i Tobia sy i Sanibala araka izany asany izany mbamin’i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa izay nampitahotra ahy. Vita tao anatin’ny roa amby dimampolo andro ny manda, tamin’ny andro fahadimy amby roapolo tamin’ny volana Elola. Rehefa ren’ny fahavalonay rehetra izany dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitana izany asa izany. Tamin’izany andro izany ny olo-manankaja amin’ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tobia ary ny avy tamin’i Tobia kosa dia tonga tany aminy. Fa nisy maro tany Joda izay efa nianiana niray tetika taminy satria vinanton’i Sekania, zanak’i Ara, izy; ary efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama zanak’i Berekia i Johanana zanany lahy. Nisy koa nilaza ny soa nataony teo anatrehako ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Nampitondra taratasy hampitahotra ahy kosa i Tobia. Nony vita ny manda ka voalatsako ny lelam-bavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny levita, dia notendreko i Hanany rahalahiko sy i Hanania, lehiben’ny tao an-dapa mba hitandrina an’i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro. Koa hoy aho tamin’ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina dia aoka harindriny ny varavarana ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ny tandrifin’ny tranony avy. Malalaka sy lehibe moa ny tanàna, nefa vitsy olona sady tsy mbola vita ny trano. Dia nomen’Andriamanitro hevitra aho hamory ny olo-manankaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’izay niakatra voalohany ka izao no hitako voasoratra tao: Ireto no lehilahy tamin’izany fari-piadidiana izany, izay niakatra avy tamin’ny fahababoana, dia ireo nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, nefa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy, dia ny olona izay niaraka tamin’i Zerobabela, i Josoa, i Nehemia, i Azaria, i Ramia, i Nahamanỳ, i Mordekay, i Bilsana, i Mispereta, i Bigvay, i Nehoma ary i Bana: Ny isan’ny lehilahy tamin’ny Israely dia izao: Ny taranak’i Parosy: Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo; ny taranak’i Sefatia: Roa amby fitopolo sy telonjato; ny taranak’i Ara: Roa amby dimampolo sy eninjato; ny taranak’i Pahata-Moaba, avy tamin’ny zanak’i Josoa sy i Joaba: Valo amby folo sy valonjato sy roa arivo; ny taranak’i Elama: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo; ny taranak’i Zato: Dimy amby efapolo sy valonjato; ny taranak’i Zakay: Enimpolo sy fitonjato; ny taranak’i Binoy: Valo amby efapolo sy eninjato; ny taranak’i Bebay: Valo amby roapolo sy eninjato; ny taranak’i Azgada: Roa amby roapolo sy telonjato sy roa arivo; ny zanak’i Adonikama: Fito amby enimpolo sy eninjato; ny taranak’i Bigvay: Fito amby enimpolo sy roa arivo; ny taranak’i Adina: Dimy amby dimampolo sy eninjato; ny taranak’i Atera, avy tamin’i Hezekia: Valo amby sivifolo; ny taranak’i Hasoma: Valo amby roapolo sy telonjato; ny taranak’i Bezay: Efatra amby roapolo sy telonjato; ny taranak’i Harifa: Roa amby folo amby zato; ny taranak’i Gibeona: Dimy amby sivifolo. Ny mponina tany Betlehema sy Netofa: Valo amby valopolo amby zato; ny mponina tany Anatota: Valo amby roapolo amby zato; ny mponina tany Bety-Azmaveta: Roa amby efapolo; ny mponina tany Kiriata-Jearima sy Kefira ary Berota: Telo amby efapolo sy fitonjato; ny mponina tany Rama sy Geva: Iraika amby roapolo sy eninjato; ny mponina tany Mikmasy: Roa amby roapolo amby zato; ny mponina tany Betela sy Ay: Telo amby roapolo amby zato; ny mponina tany amin’ilay Nebo iray: Roa amby dimampolo; ny zanak’ilay Elama iray: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo; ny zanak’i Harima: Roapolo sy telonjato; ny zanak’i Jeriko: Dimy amby efapolo sy telonjato; ny zanak’i Loda sy i Hadida ary i Ono: Iraika amby roapolo sy fitonjato; ny zanak’i Sena: Telopolo sy sivinjato sy telo arivo. Ary ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Jedaia, avy tamin’ny fianakavian’i Josoa: Telo amby fitopolo sy sivinjato; ny taranak’Imera: Roa amby dimampolo sy arivo; ny taranak’i Pasora: Fito amby efapolo sy roanjato sy arivo; ny taranak’i Harima: Fito amby folo sy arivo. Ny levita dia ireto: Ny zanak’i Josoa sy i Kadmiela avy tamin’ny zanak’i Hodva dia efatra amby fitopolo. Ny mpihira dia izao: Ny taranak’i Asafa, valo amby efapolo amby zato. Ny mpiandry varavarana dia izao: Ny taranak’i Saloma, ny taranak’i Atera, ny taranak’i Talmona, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hatita, ny taranak’i Sobay: Valo amby telopolo amby zato. Ny Netinima dia izao: Ny taranak’i Ziha, ny taranak’i Hasofa, ny taranak’i Tabaota, ny taranak’i Kerosa, ny taranak’i Sia, ny taranak’i Padona, ny taranak’i Lebana, ny taranak’i Hagaba, ny taranak’i Salmay, ny taranak’i Hanana, ny taranak’i Gidela, ny taranak’i Gahara, ny taranak’i Reaia, ny taranak’i Rezina, ny taranak’i Nekoda, ny taranak’i Gazama, ny taranak’i Oza, ny taranak’i Pasea, ny taranak’i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, ny taranak’i Bakiboka, ny taranak’i Hakafa, ny taranak’i Harora, ny taranak’i Bazilita, ny taranak’i Mehida, ny taranak’i Harsa, ny taranak’i Barikosa, ny taranak’i Sisera, ny taranak’i Tema, ny taranak’i Nezia, ny taranak’i Hatifa. Ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia ireto: Ny taranak’i Sotahy, ny taranak’i Sofereta, ny zanak’i Perida, ny taranak’i Jala, ny taranak’i Darikona, ny taranak’i Gidela, ny taranak’i Sefatia, ny taranak’i Hatila, ny taranak’i Pokereta-Hazebaima, ny taranak’i Amona. Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia roa amby sivifolo sy telonjato. Ary izao ireo niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adona ary Imera, fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ny Israely izy na tsia: Ny taranak’i Delaia, ny taranak’i Tobia, ny taranak’i Nekoda: Roa amby efapolo sy eninjato. Ny avy tamin’ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Hobaia, ny taranak’i Hakoza, ny taranak’i Barizilay; nampaka-bady avy tamin’ny zanakavavin’i Barizilay gileadita io ka notononina araka ny anarany. Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, saingy tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ny fisoronana. Ary nilaza ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray mitondra ny Orima sy Tomima. Ny tontalin’ny olona rehetra dia enimpolo sy telonjato sy roa arivo sy efatra alina, afa-tsy ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny fito amby telopolo sy telonjato sy fito arivo; ary nanana mpihira lahy sy mpihira vavy dimy amby efapolo sy roanjato izy; ny ramevany dia dimy amby telopolo sy efajato; ny borikiny dia roapolo sy fitonjato sy enina arivo. Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora dia nanome drakma volamena arivo sy lovia famafazana dimampolo sy fanamian’ny mpisorona telopolo sy dimanjato ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa. Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana indray dia nanome drakma volamena roa alina sy volafotsy roanjato sy roa arivo mane ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa. Drakma volamena roa alina sy volafotsy roa arivo mane ary fanamian’ny mpisorona fito amby enimpolo no nomen’ny olona sisa. Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira sy ny sasany amin’ny vahoaka ary ny Netinima, mbamin’ny Israely rehetra. Ary rehefa tonga ny volana fahafito dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’Israely. Dia nivory tahaka ny olona iray ho eo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izy rehetra; ary niteny tamin’i Ezra mpanoradalàna izy mba hoentiny ny bokin’ny lalànan’i Mosesy izay nandidian’NY TOMPO ny Israely. Dia noentin’i Ezra mpisorona ho eo anatrehan’ny fiangonana, na lahy na vavy, mbamin’izay rehetra afaka mihaino ny lalàna. Andro voalohany tamin’ny volana fahafito tamin’izay. Dia novakiny teo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izany, hatramin’ny vao maraina ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay afaka mihaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna. Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana izay efa natao ho amin’izany i Ezra mpanoradalàna; nitsangana teo anilany havanana i Matitia, i Sema, i Anaia, i Oria, i Hilkia ary i Mahaseia; teo anilany havia kosa i Pedaia, i Misaela, i Malkia, i Hasoma, i Hasbadana, i Zakaria ary i Mesolama. Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ny boky satria ambony toerana noho ny olona rehetra izy; ary rehefa nosokafany izany dia nitsangana koa ny olona rehetra. Ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitra lehibe i Ezra; ary nanandra-tanana ny olona rehetra ka namaly hoe: Amena, Amena! Dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’NY TOMPO. I Josoa, i Bany, i Serebia, i Jamina, i Akoba, i Sabetahy, i Hodia, i Mahaseia, i Kelita, i Azaria, i Jozabada, i Hanana, i Pelaia ary ny levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’izay nitoerany ihany. Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra sady nohazavainy tsara ny heviny ka azon’ny olona tsara ny teny novakina. Ary niteny tamin’ny olona rehetra i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona, mpanoradalàna, ary ny levita izay nampianatra ny olona hoe: Masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ny lalàna. Dia hoy izy taminy: Mandehana hano ny matavy ary sotroy ny mamy dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’NY TOMPO no fiarovana mafy ho anareo. Ary nampangina ny olona rehetra ny levita ka niteny hoe: Mangìna ianareo fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo. Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ny sasany ary nifaly tokoa ny olona rehetra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy. Nony ampitson’iny dia vory teo amin’i Ezra mpanoradalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika ny tenin’ny lalàna. Dia hitany voasoratra teo amin’ny lalàna izay nampandidian’NY TOMPO an’i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo ny Zanak’Israely amin’ny andro firavoravoana amin’ny volana fahafito ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hilaza hoe: Mandehana any an-tendrombohitra ka makà sampan’oliva tsotra, sampan’oliva maniry ho azy, sampana mirta sy sampana palma ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka ny voasoratra. Dia nandeha ny olona ka naka ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ny tokotaniny avy ary teo anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra sy teo amin’ny toerana malalaka teo akaikin’ny vavahadin-drano ary teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny vavahadin’i Efraima. Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana manontolo izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’Israely hatramin’ny andron’i Josoa, zanak’i Nona, ka hatramin’izany andro izany. Dia nisy fifaliana lehibe tokoa. Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra isanandro isanandro izy hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ny andro fahavalo dia fivorian-dehibe araka ny fanao. Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’izany volana izany dia niangona ny Zanak’Israely sady nifady hanina no samy nanao akanjo fisaonana sy nihosin-tany. Dia niavaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’Israely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. Nitsangana teo amin’ny fitoerany avy indray izy dia namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO Andriamaniny tamin’ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ny ampahefatry ny andro koa dia nifona sy niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO Andriamaniny izy. Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny levita i Josoa, i Bany, i Kadmiela, i Sebania, i Bony, i Serebia, i Bany ary i Kenany ka nitaraina mafy tamin’ny Tompo Andriamaniny. Ary hoy ny levita, dia i Josoa, i Kadmiela, i Bany, i Hasabnia, i Serebia, i Hodia, i Sebania ary i Petahia: Mitsangàna ka misaora NY TOMPO Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Isaorana anie ny anaranao malaza izay voasandratra ambonin’ny fisaorana sy ny fiderana rehetra. Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao. Ianao no TOMPO Andriamanitra izay nifidy an’i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama; ary nahita ny fony nahatoky teo anatrehanao Ianao ka nanao ilay fanekena taminy hanome ho an’ny taranany ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa nahatanteraka ny teninao Ianao satria marina Ianao. Nahita ny fahorian’ny razanay tany Ejipta koa Ianao sady nandre ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasina Mena, dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ny olona rehetra tany amin’ny taniny; satria fantatrao fa nirehareha taminy ireo dia nanao anarana ho Anao Ianao tahaka ny amin’izao anio izao. Ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany ka nandeha namakivaky teo afovoan’ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin’ny lalina tahaka ny vato amin’ny rano manonja. Nitondra azy Ianao, tamin’ny andry rahona raha antoandro ary tamin’ny andry afo nony alina mba hampazava azy, hahitany izay lalana tokony halehany. Nidina tao ambonin’ny tendrombohitra Sinay Ianao dia niteny taminy avy any an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fomba sy didy tsara. Nampahalala azy ny Sabatanao masina Ianao ary i Mosesy mpanomponao dia nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy; mofo avy tany an-danitra no nomenao azy raha noana izy; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hosotroiny raha nangetaheta izy; nilaza taminy Ianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanana homena azy izy. Nefa niavonavona ireny razanay ireny ka nanamafy ny hatony ary tsy nihaino ny didinao; nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka nikomy sady izay nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ny fahandevozany; kanefa Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo ka tsy nahafoy azy. Eny, nanao ilay ombilahy kely voarendrika izy ka nilaza hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, dia nampahasosotra Anao indrindra izy; kanefa noho ny haben’ny famindramponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-tany efitra Ianao; ny andry rahona izay nitondra azy teny an-dalana dia tsy niala taminy raha antoandro, toy izany koa ny andry afo izay nampahazava azy nony alina dia hahitany izay lalana tokony halehany. Ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny mananao tsy hohaniny Ianao sady nanome azy rano raha nangetaheta izy; eny, efapolo taona no namelomanao azy tany an-tany efitra ka tsy nisy zava-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany ary tsy nivonto ny tongony. Nanome azy fanjakana sy firenena maro Ianao ka voazaranao araka ny faritry ny taniny avy ireny; dia nahazo ny tanin’i Sihona sy ny tanin’ny mpanjakan’i Hesbona ary ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, izy. Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sady noentinao ho amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany holovana. Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakan’ny fireneny hanaovany azy araka ny sitrapony. Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno ny zava-tsoa tsy hita isa sy lavaka famorian-drano voahady ary tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ny fahatsaranao lehibe. Kanefa nandà izy sady nikomy Taminao ary nanary ny lalànanao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho Aminao ka nanao izay nahasosotra Anao indrindra izy. Koa dia natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalony izay nampahory azy izy; kanefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina Taminao izy ka nihaino azy tany an-danitra Ianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo. Kanjo rehefa niadana izy dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tanan’ny fahavalony indray koa izy ka ireny no nifehy azy; dia nitaraina taminao indray izy ary nihaino azy tany an-danitra Ianao ka namonjy azy matetika araka ny haben’ny fiantranao. Nananatra azy mafy Ianao hampiverenanao azy ho amin’ny lalànanao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao; kanefa mahavelona ny olona mankatò azy izany; nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony izy ary tsy nety nihaino. Nefa nandefitra nandritra ny taona maro taminy Ianao, ary ny Fanahinao, izay tao amin’ny mpaminaninao, no noentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, dia natolotrao ho eo an-tanan’ny firenena amin’ny tany hafa. Nefa noho ny haben’ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpitondra anay, ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandraka androany. Ianao no marina tamin’izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao fa izahay no nanao ratsy; ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay, mbamin’ny mpisorona sy ny razanay, dia samy tsy nankatò ny lalànanao, samy tsy nihaino ny didinao sy ny teny vavolombelonao izay nananaranao azy mafy. Fa tsy nanompo Anao teo amin’ny fanjakany izy na teo amin’ny haben’ny zava-tsoa nomenao azy na teo amin’ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony koa. Ankehitriny, indreto, andevo izahay izao, ary eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay; mahavokatra be izy, kanefa ho an’ireo mpanjaka izay notendrenao hitondra anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, mifehy ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy ka azom-pahoriana mafy izahay. Noho ireo rehetra ireo dia manao fanekena mafy izahay ka soratanay izany ary asian’ny mpanapaka anay sy ny levitanay ary ny mpisoronay tombo-kase eo aminy. Ny nanisy tombo-kase dia i Nehemia governora zanak’i Hakalia, i Zedekia, i Seraia, i Azaria, i Jeremia, i Pasora, i Amaria, i Malkia, i Hatosy, i Sebanaia, i Maloka, i Harima, i Meremota, i Obadia, i Daniela, i Ginetona, i Baroka, i Mesolama, i Abia, i Miamina, i Mazia, i Bilgay ary i Semaia; samy mpisorona ireo. Ary ny levita dia i Josoa, zanak’i Azania, i Binoy isan’ny zanak’i Henadada ary i Kadmiela, ary ny rahalahin’ireo dia i Sebania, i Hodia, i Kelita, i Pelaia, i Hanana, i Mika, i Rehoba, i Hasabia, i Zakora, i Serebia, i Sebania, i Hodia, i Bany ary i Benino. Ny loholona kosa dia i Parosy, i Pahata-Moaba, i Elama, i Zato, i Bany, i Bony, i Azgada, i Bebay, i Adonia, i Bigvay, i Adina, i Atera, i Hezekia, i Azora, i Hodia, i Hasoma, i Bezay, i Harifa, i Anatota, i Nebay, i Magpiasy, i Mesolama, i Hezira, i Mesezabela, i Zadoka, i Jadoa, i Pelatia, i Hanana, i Anaia, i Hosea, i Hanania, i Hasoba, i Halohesy, i Pila, i Sobeka, i Rehoma, i Hasabna, i Mahaseia, i Ahia, i Hanana, i Anana, i Maloka, i Harima ary i Bana. Ny olona sisa mbamin’ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Netinima ary izay rehetra efa niavaka tamin’ny olona teo an-toerana mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra mbamin’ny vadin’ireo sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy, izay rehetra afaka mihaino, dia samy nikambana tsara tamin’ny olo-manankaja rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalànan’Andriamanitra izay nampilazaina an’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra. Nianiana koa izy fa hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitsika mbamin’ny fitsipika sy ny lalànany; tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy; tsy hividy zavatra amin’ny andro Sabata, na amin’izay andro masina hafa, raha misy entana na vary entin’ny tompon-tany hamidy amin’ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra. Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon’ny sekela isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’Andriamanitsika: dia ho amin’ny mofo atao fanatitra mandrakariva avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary ho amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ny zava-masina sy ny fanatitra fanadiovana hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; eny, hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’Andriamanitsika. Ary nanao antsapaka izahay ny amin’ny hanateran’ny mpisorona sy ny levita mbamin’ny vahoaka ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika araka ny fianakavianay avy amin’ny fotoanandro isan-taona, handoroana eo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna, ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO isan-taona isan-taona; ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’osinay, dia nekenay hoentina ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho an’ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’Andriamanitsika; ary mba hitondranay ho an’ny mpisorona koa ny voalohan’ny kobanay voafetafeta sy ny fanomezanay, ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra, ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay dia ho an’ny levita; fa ny levita no mpandray ny fahafolonkarena eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay. Ary hisy mpisorona iray, taranak’i Arona, hiaraka amin’ny levita, raha mandray ny fahafolonkarena izy; ary ny ampahafolon’ny fahafolonkarena dia hoentin’ny levita miakatra ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho ao amin’ny efitrano ao an-trano fitahirizana. Fa ho ao amin’ireo efitrano ireo no hitondran’ny Zanak’Israely sy ny levita ny fanomezana, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ilay itoeran’ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira. Tsy hahafoy ny tranon’Andriamanitsika izahay. Nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa dia nanao antsapaka hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any amin’ny tanàna hafa ihany. Ary nisaoran’ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema. Izao no mpitondra ny fari-piadidiana izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ny Joda dia samy nonina tao amin’ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Israely, ny mpisorona, ny levita, ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’i Solomona. Tany Jerosalema no nonenan’ny sasany tamin’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Benjamina. Ny avy tamin’ny taranak’i Joda dia i Ataia, zanak’i Ozia, zanak’i Zakaria, zanak’i Amaria, zanak’i Sefatia, zanak’i Mahalalila, avy tamin’ny taranak’i Fareza; i Mahaseia, zanak’i Baroka, zanak’i Kola-Hoze, zanak’i Hazaia, zanak’i Adaia, zanak’i Joariba, zanak’i Zakaria, zanak’ilay Silonita. Ny taranak’i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enimpolo sy efajato. Izao no taranak’i Benjamina: I Salo, zanak’i Mesolama, zanak’i Joeda, zanak’i Pedaia, zanak’i Kolaia, zanak’i Mahaseia, zanak’Itiela, zanak’i Jesaia; nanarakaraka azy i Gabay sy i Salay; valo amby roapolo sy sivinjato. I Joela, zanak’i Zikry, no mpifehy azy; ary i Joda, zanak’i Senoa, no lefiny teo amin’ny tanàna. Ny avy tamin’ny mpisorona dia i Jedaia, zanak’i Joariba, mbamin’i Jakina. I Seraia, zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon’Andriamanitra, Ny rahalahin’ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roapolo sy valonjato. I Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pelalia, zanak’i Amzy, zanak’i Zakaria, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia, mbamin’ny rahalahiny, izay samy lohan’ny fianakaviana, dia roa amby efapolo sy roanjato; i Amasay, zanak’i Azarela, zanak’i Ahazay, zanak’i Mesilemota, zanak’Imera mbamin’ny rahalahin’ireo, dia lehilahy mahery valo amby roapolo amby zato; i Zabdiela, zanak’i Hagedolima, no mpifehy azy. Ny avy tamin’ny levita dia i Semaia, zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, zanak’i Bony; ary i Sabetahy sy i Jozabada, avy tamin’ny lehiben’ny levita, no tonian’ny raharaha teo ivelan’ny tranon’Andriamanitra. I Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zabdy, zanak’i Asafa, no mpiventy hira, rehefa natao ny vavaka fisaorana; ary i Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ny rahalahiny, izay vao i Abda, zanak’i Samoa, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona. Ny levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valopolo sy roanjato. Ny mpiandry varavarana dia i Akoba sy i Talmona mbamin’ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, roa amby fitopolo amby zato. Ny sisa tamin’ny Israely sy ny mpisorona ary ny levita kosa dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ny zarataniny avy ihany. Ny Netinima kosa dia nonina tany Ofela; ary i Ziha sy i Gispa no lehibeny. Ny mpifehy ny levita tany Jerosalema amin’ny raharaha momba ny tranon’Andriamanitra dia i Ozy, zanak’i Bany, zanak’i Hasabia, zanak’i Matania, zanak’i Mika, isan’ny mpihira, taranak’i Asafa. Fa ny didin’ny mpanjaka ny amin’ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isanandro. Ary i Petahia, zanak’i Mesezabela, isan’ny taranak’i Zera, zanak’i Joda, dia teo anilan’ny mpanjaka mba hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ny olona. Ny amin’ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ny taranak’i Joda, no nonina tany Kiriata-Arba sy ny vohitra miankina aminy, tany Dibona sy ny vohitra miankina aminy, tany Jekabzela sy ny vohitra miankina aminy, tany Josoa, Molada, Bety-Paleta, Hazara-Soala ary Bery-Sheba sy ny vohitra miankina aminy, tany Ziklaga sy Mekona ary ny vohitra miankina aminy, tany Eny-Rimona, Zora, Jarmota, Zanoa, Adolama ary ny vohitra miankina aminy, tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny vohitra miankina aminy. Nonina hatrany Bery-Sheba ka hatrany amin’ny lohasahan’i Hinoma izy. Ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy, Aia, Betela ary ny vohitra miankina aminy, tany Anatota, Noba, Anania, Hazora, Rama, Gitaima, Hadida, Zeboima, Nebalata, Loda, Ono, lohasahan’ny mpahay taozavatra. Nisy levita, izay isan’ny antokon’ny Joda tao amin’ny Benjamina. Ny mpisorona sy ny levita izay niara-niakatra tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa dia i Seraia, i Jeremia, i Ezra, i Amaria, i Maloka, i Hatosy, i Sekania, i Rehoma, i Meremota, Ido, i Ginetoy, i Abia, i Miamina, i Madia, i Bilga, i Semaia, i Joiariba, i Jedaia, i Salo, i Amoka, i Hilkia ary i Jedaia. Ireo no lehiben’ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin’ny andron’i Josoa. Ny levita kosa dia izao: I Josoa, i Binoy, i Kadmiela, i Serebia, i Joda ary i Matania; izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ny fiderana. I Bakibokia sy i Ono rahalahin’ireo dia nanandrify azy ireo araka ny anjara raharahany. I Josoa dia niteraka an’i Joiakima; ary i Joiakima dia niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba dia niteraka an’i Joiada; i Joiada dia niteraka an’i Jonatana; ary i Jonatana dia niteraka an’i Jadoa. Tamin’ny andron’i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ny fianakaviana, koa ireto avy izy ireo: Ny avy tamin’i Seraia dia i Meraia; ny avy tamin’i Jeremia dia i Hanania; ny avy tamin’i Ezra dia i Mesolama; ny avy tamin’i Amaria dia i Johanana; ny avy tamin’i Meliko dia i Jonatana; ny avy tamin’i Sebania dia i Josefa; ny avy tamin’i Harima dia i Adna; ny avy tamin’i Meraiota dia i Helkay; ny avy tamin’Ido dia i Zakaria; ny avy tamin’i Ginetona dia i Mesolama; ny avy tamin’i Abia dia i Zikry; ny avy tamin’i Miniamina; ny avy tamin’i Moadia, dia i Piltahy; ny avy tamin’i Bilga dia i Samoa; ny avy tamin’i Semaia dia i Jonatana; ny avy tamin’i Joariba dia i Matenay; ny avy tamin’i Jedaia dia i Ozy; ny avy tamin’i Salay dia i Kalay; ny avy tamin’i Amoka dia i Ebera; ny avy tamin’i Hilkia dia i Hasabia; ary ny avy tamin’i Jedaia dia i Netanela. Tamin’ny andron’i Eliasiba, i Joiada, i Johanana ary i Jadoa dia voasoratra ho lohan’ny fianakaviany ny levita; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin’ny nanjakan’i Dariosy persiana. Ny taranak’i Levy, lohan’ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantara hatramin’ny andron’i Johanana, zanak’i Eliasiba. Ary ny lehiben’ny levita dia i Hasabia sy i Serebia ary i Josoa zanak’i Kadmiela, mbamin’ny rahalahin’ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra isan-tokony; araka ny didin’i Davida, lehilahin’Andriamanitra. I Matania, i Bakbokia, i Obadia, i Mesolama, i Talmona sy i Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana teo amin’ny trano fitahirizan-drakitra. Ireo no tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josoa, zanak’i Jozadaka, sy tamin’ny andron’i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona sady mpanoradalàna. Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema dia notadiavina avy tamin’ny fonenany rehetra ny levita mba hoentina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga. Dia niangona ny mpihira avy tamin’ny tany lemaka manodidina an’i Jerosalema sy ny avy tamin’ny vohitry ny Netofatita ary i Bety-Gilgala sy ny sahan’i Geba ary Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira. Ary samy nanadio ny tenany ny mpisorona sy ny levita, nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda. Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ny mpanapaka ny Joda ary nanendry antoko mpihira roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny iray dia nandeha tamin’ny ankavanana teo ambonin’ny manda ho amin’ny vavahadin-jezika; nandeha taorianan’izy ireo i Hosaia sy ny antsasaky ny olo-manankaja amin’i Joda, dia i Azaria, i Ezra, i Mesolama i Joda, i Benjamina, i Semaia ary i Jeremia, nitondra trompetra ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona, dia i Zakaria, zanak’i Jonatana, zanak’i Semaia, zanak’i Matania, zanak’i Mikaia, zanak’i Zakora, zanak’i Asafa, mbamin’ny rahalahiny, dia i Semaia, i Azarela, i Milalay, i Gilalay, i May, i Netanela, i Joda ary i Hanany, nitondra ny zavamanenon’i Davida, lehilahin’Andriamanitra; ary nandeha teo alohan’ireo i Ezra mpanoradalàna. Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana. Ny antoko mpihira andiany faharoa kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko niaraka tamin’ny antsasaky ny olona teo ambonin’ny manda hatreo ambonin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana ka hatreo amin’ny manda lehibe, ary hatreo ambonin’ny vavahadin’i Efraima sy teo ambonin’ny vavahady taloha ary teo ambonin’ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo fiambenana Hananela sy ny tilikambo fiambenana Hamea, dia hatramin’ny vavahadin’ondry; ary nijanona teo amin’ny vavahadin’ny trano fiambenana izy. Dia nijanona tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy roa tonta; tao koa aho sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko; ary nitondra trompetra ny mpisorona, dia i Eliakima, i Mahaseia, i Miniamina, i Mikaia, i Elioenay, i Zakaria ary i Hanania, mbamin’i Mahaseia, i Semaia, i Eleazara, i Ozy, i Johanana, i Malkia, i Elama ary i Ezera. Nihira mafy ny mpihira sy i Jizrahia, mpitarika azy. Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra izy tamin’izany andro izany sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany dia nifaly koa ka re hatrany lavitra ny fifaliana tany Jerosalema. Tamin’izany koa dia nisy olona notendrena hitandrina ny efitrano fitahirizana ny fanatitra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolonkarena, fa ao no angonina izay anjara voadidy ho an’ny mpisorona sy ny levita avy amin’ny saha manodidina ny isan-tanàna; koa nifalian’ny Joda ireo mpisorona sy levita izay nanompo ireo. Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin’Andriamaniny sy ny amin’ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin’i Davida sy i Solomona zanany. Fa fahiny tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa aza dia efa nisy lehiben’ny mpihira sy mpanao hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. Ny Israely rehetra, tamin’ny andron’i Zerobabela sy i Nehemia, dia nanome koa ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, izany hoe ny anjarany isanandro; ary nanokana izay ho an’ny levita koa izy; ny levita kosa indray dia nanokana izay ho an’ny taranak’i Arona. Tamin’ny andro iray dia novakina teo anatrehan’ny olona ny teny ao amin’ny Bokin’i Mosesy ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra mandrakizay ny Amonita sy ny Moabita satria tsy nitsena ny Zanak’Israely tamin’ny hanina sy rano izy fa nanamby indray an’i Balama hanozona azy; kanjo nampodìn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana. Ary rehefa ren’ny olona ny lalàna dia navahany hiala tamin’ny Israely ny olona hafa firenena rehetra. Talohan’izany, i Eliasiba mpisorona izay voatendry ho ao amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’Andriamanitsika sady havana akaikin’i Tobia, dia nanamboatra efitrano lehibe ho an’i Tobia, dia ilay nitahirizana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fahiny mbamin’ny ditin-kazo manitra sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo izay anjara voadidy ho an’ny levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary nisy ny fanomezana ho an’ny mpisorona koa. Fa tamin’izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho; fa tamin’ny taona faharoa amby telopolo nanjakan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Babilona, no nahatongavako tany amin’ny mpanjaka. Nony taoriandriana kely aho vao mba niera taminy; dia nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon’i Eliasiba ho an’i Tobia tamin’ny nanamboarany efitrano ho azy teo anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra. Dia nalahelo indrindra aho ka navoakako hiala tao amin’ny efitrano ny fanaka rehetra izay an’i Tobia. Ary nasaiko nodiovin’ny olona ny efitrano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon’Andriamanitra mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny ditin-kazo manitra. Hitako fa tsy voaloa ny fiveloman’ny levita ka samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha. Dia nifandahatra tamin’ny mpanapaka aho hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon’Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin’ny toerany avy. Dia noentin’ny Joda rehetra ho ao amin’ny trano fitahirizana ny ampahafolon’ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Ary nanendry mpitandrina ny trano fitahirizana aho, dia i Selemia mpisorona sy i Zadoka mpitantsoratra ary i Pedaia avy tamin’ny levita; nanampy azy telo lahy i Hanana, zanak’i Zakora, zanak’i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin’ireo dia ny hizara ho an’ny rahalahiny. Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ny tranon’Andriamanitro sy ny amin’ny raharaha tokony hatao ao. Tamin’izany andro izany dia nahita aho fa ny sasany tany Joda dia nanosihosy tao amin’ny famiazam-boaloboka tamin’ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay sy voaloboka ary aviavy sy entana samihafa rehetra koa, izay noentiny ho any Jerosalema tamin’ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ny andro nivarotany hanina. Ary nisy Tiriana nitoetra tao, nitondra hazandrano sy varotra samihafa izy ireo ka nivarotra tamin’ny taranak’i Joda sy tany Jerosalema tamin’ny Sabata. Dia nifandahatra tamin’ireo olo-manankaja amin’ny Joda aho ka niteny taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao no dia mandoto ny andro Sabata ianareo? Tsy nanao toy izao va ny razanareo ka nahatran’Andriamanitsika tamintsika sy amin’ity tanàna ity izao loza rehetra izao? Fa izao ianareo dia efa mampitombo indray ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ny Israely amin’ny andotoanareo ny Sabata. Ary raha vao malomaloka ny vavahadin’i Jerosalema talohan’ny Sabata dia nasaiko nohidina ny vavahady ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitra ny Sabata; ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin’ny andro Sabata. Dia nandry teo ivelan’i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpivaro-mandeha sy ny mpivarotra zavatra samihafa; nananatra azy ireo mafy aho ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ny manda? Raha mbola manao izany indray ianareo dia hosamboriko. Koa hatramin’izany andro izany dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy ireo. Ary nasaiko nanadio ny tenany ny levita ka ho avy hiambina eo am-bavahady mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy koa aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben’ny famindramponao. Tamin’izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona ary Moaba; ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin’ny Asdodita fa tsy nahay teny jiosy satria nanaraka ny fiteniny avy isam-poko izy. Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nanongotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy, na ho vadinareo. Tsy izany va no nanotan’i Solomona, mpanjakan’ny Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ny firenena maro, fa tian’Andriamaniny izy ka nataon’Andriamanitra mpanjaka tamin’ny Israely rehetra; kanefa na dia izy aza dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena. Ka moa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin’Andriamanitsika amin’ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo? Ary vinanton’i Sanibala horonita ny iray tamin’ny zanak’i Joiada, zanak’i Eliasiba, Mpisoronabe, dia noroahiko niala teo amiko izy. Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany ny fisoronana; eny, ny faneken’ny fisoronana sy ny levita. Toy izany no nanadiovako azy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy nanendreko ny anjara raharahan’ny mpisorona sy ny levita samy ho amin’ny raharahany avy ary ny amin’ny fanaterana ny kitay hazo tamin’izay fotoanandrony sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô. Tamin’ny andro nanjakan’i Ahasoerosy, i Ahasoerosy izay nanjaka hatrany India ka hatrany Kosy ary nizarazara ny fanjakany ho fari-piadidiana fito amby roapolo amby zato, tamin’izany andro izany dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakany izay tany Sosana, tanàna mimanda, i Ahasoerosy mpanjaka. Tamin’ny taona fahatelo nanjakany dia nanao fanasana ho an’ny mpitarika sy ny mpanompony rehetra izy. Teo anatrehany koa ny lehiben’ny miaramilan’i Persia sy i Media ary ny mpitondra mbamin’ireo lehiben’ny fari-piadidiana ao amin’ny fanjakany. Nasehony nandritra ny andro maro, valopolo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny famirapiratry ny fahalehibiazany. Rehefa tapitra izany andro izany dia nanaovan’ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo ankalamanjana tao amin’ny zaridainan’ny mpanjakany ny olona rehetra izay tany Sosana, tanàna mimanda, na lehibe na kely. Nisy lamba fotsy misoratsoratra sy manga nohazonin’ny kofehy rongony fotsy madinika sy volomparasy izay nandalo tamin’ny masom-bolafotsy teny amin’ny andry vato marbra fotsy. Nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ny lampivato vita amin’ny alabasitara, marbra fotsy, hara ary marbra mainty. Nampisotroina tamin’ny kapoaka volamena ny olona ka samihafa avokoa ny kapoaka, ary betsaka ny divain’ny mpanjaka araka ny fanomen’ny mpanjaka. Ny nisotroan’ny olona dia araka ny tenin’ny mpanjaka ka tsy nisy faneriterena satria toy izany no baikon’ny mpanjaka tamin’ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovany araka izay sitrapon’ny tsirairay avy. Mba nanao fanasana ho an’ny vehivavy tao amin’ny tranom-panjakana, izay an’i Ahasoerosy mpanjaka, koa i Vasty, vadin’ny mpanjaka. Tamin’ny andro fahafito, nony faly azon’ny divay iny ny fon’ny mpanjaka, dia nomeny teny i Mehomana, i Bizta, i Harbona, i Bigta, i Abagta, i Zetara ary i Karkasa, ionòka fito izay nanompo teo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka, mba hitondra an’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ny olona sy ny mpitondra ny bikany fa tsara tarehy izy. Nandà ny tenin’ny mpanjaka izay noentin’ireo ionòka anefa i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany. Dia niresaka tamin’ny mpanandro ny mpanjaka. Toy izany mantsy no nanaovana ny raharahan’ny mpanjaka teo anatrehan’izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana ary ireo izay teo akaikiny, dia i Karsena, i Setara, i Admata, i Tarsisy, i Meresa, i Marsena ary i Memokana, mpitondra fito tamin’i Persia sy i Media, izay nahazo nijery ny tavan’ny mpanjaka ka nipetraka tamin’ny toerana voalohany teo amin’ny fanjakana. Hoy ny mpanjaka: Araka ny lalàna, ahoana no hanaovana an’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, satria tsy nankatò ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, didy izay noentin’ireo ionòka izy? Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpitondra i Memokana hoe: Tsy tamin’ny mpanjaka ihany no nanaovan’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, izao ratsy izao fa tamin’ny mpitondra rehetra koa sy ny vahoaka rehetra amin’ny fari-piadidiana manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka. Hiely any amin’ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ny vadin’ny mpanjaka izao ka hanaovany tsinontsinona ny vadiny fa samy hilaza izy ireo hoe: I Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy mba hitondrana an’i Vasty vadiny ho eo anatrehany nefa dia tsy nety izy. Ary na dia amin’izao andro izao aza ny vehivavy manankajan’i Persia sy i Media izay mandre ny nataon’ny vadin’ny mpanjaka dia samy hilaza izany amin’ny mpitondra rehetra voatendrin’ny mpanjaka, koa ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana. Koa raha sitraky ny mpanjaka dia aoka hisy didim-panjakana avy amin’ny mpanjaka hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy Media ka tsy azo ovana: Tsy hahazo hankeo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka intsony i Vasty ary ny voninahiny dia aoka homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy. Koa rehefa re manerana ny fanjakany rehetra, izay lehibe tokoa, ny didin’ny mpanjaka izay havoakany dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy ny vehivavy rehetra na lehibe na kely. Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpitondra izany teny izany ka nanatanteraka ny tenin’i Memokana ny mpanjaka. Dia nampitondra taratasy ho any amin’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka izy, dia ny fari-piadidiana tsirairay araka ny fomba fanoratany avy ary ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy mba hahafehy ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary samy hiteny araka ny fiteniny avy ny firenena tsirairay. Rehefa afaka izany ka efa nionona ny fahatezeran’i Ahasoerosy mpanjaka dia nahatsiaro an’i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy. Hoy ireo zatovon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny tsara tarehy ny mpanjaka. Aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakany; dia aoka ireny hamory ny zazavavy virijiny tsara tarehy rehetra ho eto Sosana, tanàna mimanda, ho ao amin’ny tranom-behivavy izay eo ambany fifehezan’i Hegay, ionòkan’ny mpanjaka sady mpiambina ny vehivavy; ary aoka homena azy ireo izay rehetra ilainy momba ny fihaingoany. Koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an’i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany ka notanterahiny. Ary nisy Jiosy iray tany Sosana, tanàna mimanda, Mordekay no anarany, zanak’i Jaira, zanak’i Simey, zanak’i Kisy, avy amin’ny taranak’i Benjamina. Izy io dia babo avy tany Jerosalema niaraka tamin’ireo babo izay noentina niaraka tamin’i Jekonia, mpanjakan’i Joda, izay nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona. Izy no nitaiza an’i Hadasa, na i Estera, zanakavavin’ny rahalahin-drainy. Tsy nanana ray sy reny intsony io zazavavy io; ary soa sady tsara tarehy izy. Rehefa maty ny rainy sy ny reniny dia noraisin’i Mordekay ho zanany izy. Nony re ary ny tenin’ny mpanjaka sy ny lalànany ka voavory tany Sosana, tanàna mimanda, ny zazavavy maro ho ao ambany fifehezan’i Hegay, dia mba noentina ho ao amin’ny tranon’ny mpanjaka koa i Estera, ho ao ambany fifehezan’i Hegay, mpiambina ny vehivavy. Nahafaly azy Razazavavy ka nahita fitia teo imasony. Nomeny haingana an-dRazazavavy ny zavatra rehetra nilainy ho fihaingoana sy ny anjara haniny ary mpanompovavy fito izay voafantina homena azy avy tao amin’ny tranon’ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ny toerana tsara indrindra ao amin’ny tranom-behivavy izy sy ny mpanompovaviny. Tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany anefa i Estera satria namepetra azy i Mordekay mba tsy hilaza izany. Nitsangantsangana isanandro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy i Mordekay mba hahafantarany izay momba an’i Estera sy izay manjo azy. Dia tonga ny fotoana hidiran’ny tovovavy tsirairay tany amin’i Ahasoerosy mpanjaka rehefa tapitra ny roa amby folo volana voatendrin’ny lalàna ho amin’ny fomba fiomanan’ny vehivavy ka tapitra tamin’izay ny fotoana hihaingoany: Enim-bolana tamin’ny diloilo nisy miora ary enim-bolana tamin’ny zavamanitra sy ny zavatra hafa fihaingoan’ny vehivavy. Koa rehefa hiditra ho ao amin’ny mpanjaka ny zatovovavy tamin’izany dia nomena azy izay rehetra nilainy ka noentiny avy tao amin’ny tranom-behivavy ho ao amin’ny tranon’ny mpanjaka. Tamin’ny hariva izy no niditra ary nony maraina izy dia niverina ho ao amin’ny trano faharoa nitoeran’ny vehivavy, izay ambany fifehezan’i Sasegaza, ionòkan’ny mpanjaka, mpiambina ny vady tsindrano. Tsy mba niverina tao amin’ny mpanjaka intsony izy raha tsy sitrapon’ny mpanjaka ka voatonona ny anarany. Rehefa tonga ny fotoana hidiran’i Estera ao amin’ny mpanjaka, dia i Estera, ilay zanakavavin’i Abihaila rahalahin-drain’i Mordekay izay nandray azy ho zanany vavy, dia tsy nila na inona na inona izy ankoatra izay notononin’i Hegay, tandapan’ny mpanjaka sady mpitandrina ny vehivavy. Ary nahita fitia teo imason’ny olona rehetra izay nijery azy i Estera. Dia noentina ho ao amin’i Ahasoerosy mpanjaka i Estera, ho ao amin’ny tranon’ny fanjakana, tamin’ny volana fahafolo na ny volana Tebeta, tamin’ny taona fahafito nanjakany. Tian’ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy hafa rehetra i Estera ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijiny hafa rehetra. Nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’i Vasty. Ary nanao fanasana lehibe ho an’ny mpitondra sy mpanompony rehetra ny mpanjaka; fanasan’i Estera izany. Nanendry andro fitsaharana ho an’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakana izy sady nanome fanomezana araka ny fanomen’ny mpanjaka. Rehefa novorina fanindroany ireo virijiny dia nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay. Tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny anefa i Estera, araka ilay nameperan’i Mordekay azy ihany. Fa ny tenin’i Mordekay dia nankatoavin’i Estera tahaka ny fony izy mbola nitaiza azy ihany. Tamin’izany andro izany, raha nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay, dia tezitra i Bigtana sy i Taresy, roa lahy tamin’ireo ionòkan’ny mpanjaka sady mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’i Ahasoerosy mpanjaka. Tonga fantatr’i Mordekay izany ka nambarany tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka. Dia nambaran’i Estera tamin’ny mpanjaka, tamin’ny anaran’i Mordekay izany. Rehefa nohadihadiana izany zavatra izany dia hita fa marina ka nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy. Nosoratana tao amin’ny bokin’ny tantara teo anatrehan’ny mpanjaka izany. Rehefa afaka izany zavatra izany dia nasandratr’i Ahasoerosy mpanjaka i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny toerany dia nataony ambony noho ny an’ny mpitarika hafa niaraka taminy. Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamana ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ny mpanjaka, fa izany no didin’ny mpanjaka. I Mordekay kosa dia tsy mba nety nandohalika na niankohoka. Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ny mpanjaka tamin’i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ny mpanjaka? Nefa na dia niteny taminy isanandro aza ireo dia tsy nihaino azy izy ka nolazain’ireo tamin’i Hamana mba hizahany na hijoro amin’ny fihetsiny ihany i Mordekay na tsia; fa efa nilaza tamin’ireo izy fa Jiosy. Rehefa hitan’i Hamana fa tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany i Mordekay dia tezitra loatra izy. Tsy ampy an’i Hamana ny hanainga ny tanany hamely an’i Mordekay irery; satria efa nambara azy ny firenen’i Mordekay, koa dia nitady izay handringanana ny Jiosy rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy koa izy, dia ny Jiosy izay firenen’i Mordekay. Tamin’ny volana voalohany na ny volana Nisana, tamin’ny taona faharoa amby ny folo nanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka dia nanaovana Pora, na antsapaka, teo anatrehan’i Hamana, ny andro tsirairay sy ny volana tsirairay hatramin’ny volana faharoa amby folo, koa ny volana Adara no voatondro. Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakanao; ny lalànan’izy ireo dia hafa noho ny an’ny firenena rehetra, ary tsy mba mankatò ny didin’ny mpanjaka izy ireo; tsy mendrika amin’ny mpanjaka ny hamela azy ireo amin’izao fotsiny. Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana ny didy handringanana ireny, dia handanja volafotsy iray alina talenta aho mba homena ireo mpanao raharaha ka harotsaka ao amin’ny fitahirizan-drakitry ny mpanjaka. Dia nesorin’ny mpanjaka tamin’ny tanany ny peratra fitombo-kaseny ka nomeny an’i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, fahavalon’ny Jiosy. Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Homena anao ny volafotsy mbamin’ny vahoaka koa hanaovanao azy araka izay sitrakao. Dia nantsoina ny mpitantsoratry ny mpanjaka tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’ny volana voalohany ka nosoratana araka ny didy rehetra nomen’i Hamana izany, ho amin’ireo solontenan’ny mpanjaka sy ireo governora amin’ny fari-piadidiana tsirairay ary ny mpitondra ny firenena rehetra, ho any amin’ny fari-piadidiana tsirairay araka ny fomba fanoratany avy ary ho amin’ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy. Tamin’ny anaran’i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ny peratra fitombo-kasen’ny mpanjaka. Nisy taratasy maro nampitondrainy ny iraka haingam-pandeha ho any amin’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka mba handringanana sy hamonoana ary handripahana ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, amin’ny indray andro monja, amin’ny andro fahatelo amby folo amin’ny volana faharoa amby folo, na ny volana Adara; ary horobaina avokoa ny fananany rehetra. Ny dika mitovy amin’ny teny izay natao didy ho amin’ny fari-piadidiana tsirairay ao amin’ny fanjakana dia novakina tamin’ny olona rehetra mba hampiomana azy ho amin’izany andro izany. Dia niainga ny iraka haingam-pandeha nododonan’ny tenin’ny mpanjaka; ary novakina tany Sosana, tanàna mimanda, koa ny lalàna. Nipetraka hisotro ny mpanjaka sy i Hamana fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra. Nony fantatr’i Mordekay izay rehetra nitranga dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy akanjo fisaonana sady nihosin-davenona; dia nankeo afovoan’ny tanàna izy ka nitaraina sy nidradradradra mafy. Ary tonga teo anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka izy, nefa tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka raha nitafy akanjo fisaonana. Tany amin’ny fari-piadidiana rehetra izay nalehan’ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra sady maro no nandry tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona. Ary niditra ny mpanompovavy sy ny ionòka nanompo an’i Estera ka nilaza izany taminy. Dia nangorakoraka ny vadin’ny mpanjaka ka nampanatitra lamba hitafian’i Mordekay izy mba hanesorany ny akanjo fisaonana taminy nefa tsy nety nandray izy. Ary niantso an’i Hatàka, ionòkan’ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy i Estera ka nampitondra teny azy ho any amin’i Mordekay mba hahafantarany hoe inona ny zava-nitranga ary inona no anton’izany. Dia lasa i Hatàka nankany amin’i Mordekay ho eo amin’ny kianjan’ny tanàna, ilay eo anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka. Dia nambaran’i Mordekay taminy izay rehetra nanjo azy sy ny tena isan’ny vola izay nokasain’i Hamana harotsaka ao amin’ny trano fitahirizan-drakitry ny mpanjaka noho ny Jiosy ho ringana. Nomeny azy koa ny dika mitovy amin’ny didy izay novakina tany Sosana handringanana azy mba haseho amin’i Estera ka hampahafantatra azy izany sy hiteny azy mba hiditra ao amin’ny mpanjaka ka hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an’ny fireneny. Dia lasa niverina i Hatàka ka nanambara ny tenin’i Mordekay tamin’i Estera. Fa naniraka an’i Hatàka indray i Estera hilaza amin’i Mordekay hoe: Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny olona rehetra manerana ireo fari-piadidian’ny mpanjaka dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny mpanjaka eo an-kianja anatiny na lehilahy na vehivavy nefa tsy nantsoina dia tokana ihany ny lalàna ho an’ny rehetra mba hahafaty azy afa-tsy izay hotondroin’ny mpanjaka amin’ny tehina volamena mba hahavelona azy. Izaho anefa dia tsy nantsoina hiditra ao amin’ny mpanjaka efa telopolo andro izay. Dia nolazaina tamin’i Mordekay ny tenin’i Estera. Ary nampitondra valiny ho any amin’i Estera i Mordekay hoe: Aza mihevitra anakampo fa ianao no ho voavonjy amin’ny Jiosy rehetra saingy ao an-tranon’ny mpanjaka. Fa raha tsy hiteny na inona na inona ianao amin’izao fotoana izao dia hisy fanafahana sy famonjena hiseho avy amin’ny toerana hafa ho an’ny Jiosy fa ianao sy ny fianakavian-drainao dia haringana. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana? Dia nampitondra valiny ho any amin’i Mordekay indray i Estera hoe: Mandehana ary ka vorio ny Jiosy rehetra izay hita eto Sosana. Mifadia hanina noho ny amiko ka aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana na andro na alina. Izaho sy ny mpanompovaviko koa dia hifady toy izany ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka na dia tsy araka ny lalàna aza. Koa raha toa ka maty aho dia maty! Dia lasa i Mordekay ka nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Estera azy. Nony tamin’ny andro fahatelo dia nanao akanjo fiandrianana i Estera ka nitsangana teo amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’ny mpanjaka, teo anoloan’ny tranon’ny mpanjaka, ary ny mpanjaka dia nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin’ny vavahadin’ny trano. Nony hitan’ny mpanjaka fa indro i Estera vadin’ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy. Ary nanondro an’i Estera tamin’ny tehina volamena izay teny an-tanany ny mpanjaka. Dia nanatona kosa i Estera ka nikasika ny tendron’ny tehina. Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia homena anao izany. Dia namaly i Estera hoe: Raha sitraky ny mpanjaka dia aoka ny mpanjaka sy i Hamana ho tonga anio amin’ny fanasana izay efa namboariko ho azy. Dia hoy ny mpanjaka: Asaivo manatanteraka haingana ny tenin’i Estera i Hamana. Ary ny mpanjaka sy i Hamana dia tonga tao amin’ny fanasana izay efa namboarin’i Estera. Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia homena izany. Dia namaly i Estera hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko: Raha mahita fitia eto imason’ny mpanjaka aho ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanatanteraka izay tadiaviko dia aoka ny mpanjaka sy i Hamana ho tonga amin’ny fanasana izay hamboariko ho azy indray rahampitso, dia hanatanteraka ny tenin’ny mpanjaka ihany aho. Dia nivoaka ny trano tamin’izany andro izany i Hamana sady faly sy ravoravo ny fony. Nefa rehefa nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka izy dia feno hatezerana taminy satria tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory i Mordekay. Nanindry fo ihany anefa i Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha. Dia naniraka olona haka ny sakaizany sy i Zaresy vadiny izy. Notanisain’i Hamana tamin’ireo ny haben’ny harenany sy ny hamaroan’ny zanany mbamin’izay voninahitra rehetra nomen’ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpitondra sy ny mpanompon’ny mpanjaka. Hoy koa i Hamana: E! I Estera, vadin’ny mpanjaka, aza dia tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ny mpanjaka ho amin’ny fanasana izay namboariny sady nasainy hiaraka amin’ny mpanjaka koa aho rahampitso. Nefa na izany rehetra izany aza dia tsy mbola afa-po aho raha mahita an’i Mordekay jiosy mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka. Dia hoy i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Asaivo misy manangana hazo, koa dimampolo hakiho ny haavony; ary rahampitso maraina dia lazao amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordekay. Koa mandehana miaraka amin’ny mpanjaka amin’ny hafaliana ho any amin’ny fanasana ianao. Ary sitrak’i Hamana izany zavatra izany ka nampanangana ilay hazo izy. Tamin’iny alina iny dia tsy nahita tory ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany. Koa indro, voasoratra tao fa i Mordekay no niampanga an’i Bigtana sy i Taresy; izy roa lahy ireo dia isan’ny ionòkan’ny mpanjaka sady mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an’i Ahasoerosy mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratam-boninahitra mba efa nomena an’i Mordekay noho izany? Fa hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy! Ary hoy ny mpanjaka: Iza izao ao an-kianja ao izao? I Hamana no tonga tao an-kianja ivelan’ny tranon’ny mpanjaka tamin’io fotoana io indrindra mba hiteny amin’ny mpanjaka ny amin’ny hanantonana an’i Mordekay amin’ilay hazo efa natsangany hanantonana azy. Hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: Indro i Hamana no mijoro ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaivo miditra izy! Dia niditra i Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary hoy i Hamana anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra raha tsy izaho? Koa hoy i Hamana tamin’ny mpanjaka: Ny amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra, dia aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany; dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tanan’izay ambony indrindra amin’ny mpitondra voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly. Dia hoentina eo amin’ny kianjan’ny tanàna izy ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra! Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Haingàna ary, alaivo ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao ka ataovy araka izany amin’i Mordekay jiosy izay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao. Dia nalain’i Hamana ny akanjo sy ny soavaly ka nampiakanjo an’i Mordekay izy ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia nitondra azy ho eny amin’ny kianjan’ny tanàna izy ka niantso teo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra! Ary niverina nankeo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka i Mordekay; fa i Hamana kosa dia nody haingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha. Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy i Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy i Mordekay izay efa nanomboka nandavo anao teo anatrehany dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa tsy maintsy ho lavo eo anatrehany. Raha mbola niresaka taminy ihany ireo dia tonga ny ionòkan’ny mpanjaka ka naka haingana an’i Hamana ho any amin’ny fanasana izay efa namboarin’i Estera. Ary nankao amin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, ho ao amin’ny fanasana, ny mpanjaka sy i Hamana. Hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera teo am-pisotroan-divay tamin’ny andro faharoa: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona angaha no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. Dia namaly i Estera, vadin’ny mpanjaka hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary koa ny fireneko araka ny fangatahako! Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka. Fa raha toa ka namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay dia ho nangina ihany aho; kanefa ange tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka akory ilay fahavalo e. Dia nanontany an’i Estera, vadin’ny mpanjaka, i Ahasoerosy mpanjaka hoe: Iza moa izany, ary aiza izany olona asesiky ny fony hahevitra an’izany? Fa hoy i Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka i Hamana. Ary tezitra mafy ny mpanjaka ka nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho any amin’ny zaridainan’ny mpanjaka. Fa nitsangana kosa i Hamana hangataka ny ainy tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hataon’ny mpanjaka aminy. Ary niverina avy tao amin’ny zaridainan’ny mpanjaka ho ao amin’ilay efitrano izay nisotroany divay teo ny mpanjaka ary tamin’izay i Hamana dia niampatra tamin’ny farafara nandriandrian’i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin’ny mpanjaka eto anatrehako ato an-trano koa va ilay io? Raha vantany vao naloaky ny vavan’ny mpanjaka izany teny izany dia nisy nanarona ny tavan’i Hamana. Ary i Harbona, iray tamin’ireo ionòka izay teo anatrehan’ny mpanjaka dia nilaza hoe: Indro, mijoro eo akaikin’ny tranon’i Hamana rahateo ny hazo; io ilay hazo natsangany mba hanantonany an’i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ny mpanjaka; dimampolo hakiho ny haavony. Dia hoy ny mpanjaka: Ahantòny amin’io izy. Ary nahantony tamin’ilay hazo efa natsangany mba hanantonana an’i Mordekay i Hamana. Dia izay vao nionona ny fahatezeran’ny mpanjaka. Tamin’izany andro izany dia nomen’i Ahasoerosy mpanjaka ho an’i Estera, vadin’ny mpanjaka, ny tranon’i Hamana, fahavalon’ny Jiosy. Ary nankeo anatrehan’ny mpanjaka i Mordekay satria efa voalazan’i Estera ny fihavanany taminy. Ary nesorin’ny mpanjaka ny peratra fitombo-kaseny izay nalainy tamin’i Hamana ka nomeny an’i Mordekay. Ary notendren’i Estera i Mordekay hanapaka ny tranon’i Hamana. Dia niteny teo anatrehan’ny mpanjaka indray i Estera sady niankohoka tamin’ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon’i Hamana agagita sy ny hevitra nataony hamelezana ny Jiosy. Ary nanondro an’i Estera tamin’ny tehina volamena ny mpanjaka. Dia nitsangana i Estera ka nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka ary niteny hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, ireny, izay nosoratany mba handringanana ny Jiosy any amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’ny mpanjaka. Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny fianakaviako? Dia hoy i Ahasoerosy mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, sy tamin’i Mordekay jiosy: Indro ny tranon’i Hamana dia efa nomeko an’i Estera; izy dia efa nahantona tamin’ny hazo satria nanatsotra ny tanany hamely ny Jiosy. Ary manorata amin’ny anaran’ny mpanjaka araka izay sitrakareo kosa ianareo hamonjena ny Jiosy koa tombohy amin’ny peratra fitombo-kasen’ny mpanjaka izany. Fa tsy misy mahavadika ny soratra izay voasoratra tamin’ny anaran’ny mpanjaka sy voatomboka tamin’ny peratra fitombo-kasen’ny mpanjaka. Dia nantsoina tamin’izay ny mpitantsoratry ny mpanjaka, tamin’ny andro fahatelo amby roapolo tamin’ny volana fahatelo na ny volana Sivàna; ary nosoratana araka izay didy rehetra nomen’i Mordekay izany ho any amin’ny Jiosy sy ny solontenan’ny mpanjaka sy ny governora ary ny mpitondra amin’ny fari-piadidiana hatrany India ka hatrany Kosy; dia fari-piadidiana fito amby roapolo amby zato, ny fari-piadidiana tsirairay araka ny fomba fanoratany avy, ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy ary ny Jiosy araka ny fomba fanoratany sy araka ny fiteniny. Nisy taratasy nosoratana tamin’ny anaran’i Ahasoerosy mpanjaka ka notombohina tamin’ny peratra fitombo-kasen’ny mpanjaka; ary ny taratasy dia nampitondraina ny iraka haingam-pandeha mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra avy ao amin’ny tranon-tsoavalin’ny mpanjaka. Ny Jiosy izay tany amin’ny tanàna tsirairay dia navelan’ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herim-bahoaka rehetra sy ny fari-piadidiany rehetra izay te hiady aminy mbamin’ny vady aman-janak’ireny ary handroba ny fananany amin’ny andro iray ihany any amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin’ny andro fahatelo amby folo amin’ny volana faharoa amby folo na ny volana Adara. Ny dika mitovy amin’ny teny natao didy ho amin’ny fari-piadidiana tsirairay manerana ny fanjakana dia novakina tamin’ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin’izany andro izany, izay hamaliany ny fahavalony. Dia lasa ny iraka haingam-pandeha izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, nohafainganina sy nododonan’ny tenin’ny mpanjaka izy ireo. Ary novakina tany Sosana, tanàna mimanda, koa ny didy. Tamin’ny nialan’i Mordekay teo anatrehan’ny mpanjaka dia nanao akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satroboninahitra volamena lehibe ary niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; dia faly sy ravo ny tanàna Sosana. Teo amin’ny Jiosy dia fahazavana, haravoravoana, fifaliana ary voninahitra. Ary teo amin’ny fari-piadidiana tsirairay manerana ny fanjakana sy teny amin’ny tanàna tsirairay izay nahatongavan’ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy haravoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro fifaliana. Ary maro ny olona tompon-tany no nitonon-tena ho Jiosy satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy. Tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’ny volana faharoa amby folo na ny volana Adara dia tonga ny andro hanatanterahana ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay nantenain’ny fahavalon’ny Jiosy hifehezana azy ireo indrindra; kanjo nivadika ny rasa ka ny Jiosy indray no nandresy izay nankahala azy. Tamin’io andro io dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy. Tsy nisy olona nahajanona teo anoloany satria nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy. Ary ny mpitondra rehetra amin’ny fari-piadidiana sy ny solontenan’ny mpanjaka sy ny governora mbamin’ny mpanao raharahan’ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy satria azon’ny fahatahorana an’i Mordekay izy, satria i Mordekay dia tonga lehibe tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ary niely tany amin’ny fari-piadidiana rehetra ny lazany. Nitombo voninahitra hatrany io lehilahy Mordekay io. Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nahazo nanatanteraka izay sitraky ny fony tamin’izay nankahala azy izy ireo. Ary tany Sosana, tanàna mimanda, aza, ny Jiosy dia nahavono sy naharingana dimanjato lahy, ary i Parsandata, i Dalfona, i Aspata, i Porata, i Adalia, i Aridata, i Parmasta, i Arisay, i Ariday, ary i Vaizata; izy folo lahy, zanak’i Hamana, zanak’i Hamedota, fahavalon’ny Jiosy, dia novonoiny koa. Kanefa tsy mba norobainy ny fananany. Androtr’izay ihany dia nambara tamin’ny mpanjaka ny isan’ny voavono tany Sosana, tanàna mimanda. Hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia efa nahavono sy naharingana dimanjato lahy mbamin’izy folo lahy, zanak’i Hamana. Koa ahoana kosa ny nataony tany amin’ny fari-piadidiana sisa rehetra manerana ny fanjakan’ny mpanjaka? Ary inona koa no angatahinao? Homena izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Hotanterahina izany. Dia hoy i Estera: Raha sitraky ny mpanjaka dia aoka ny Jiosy izay eto Sosana havela hanatanteraka toy izay natao androany ihany koa rahampitso ary aoka hahantona amin’ny hazo koa izy folo lahy zanak’i Hamana. Dia nasain’ny mpanjaka natao izany. Novakina tany Sosana ny didy ka nahantona izy folo lahy zanak’i Hamana. Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana Adara ka namono olona telonjato lahy tany Sosana. Kanefa ny fananany dia tsy mba norobainy. Ary nivory hiaro ny ainy ny Jiosy hafa izay tany amin’ny fari-piadidian’ny fanjakan’ny mpanjaka ka afaka tamin’ny fahavalony. Dimy arivo sy fito alina no matiny. Kanefa tsy mba norobainy ny fananany; tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’ny volana Adara izany. Nitsahatra izy ireo tamin’ny andro fahefatra amby folo ka nataony ho andro fifanasana sy firavoravoana izany. Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa dia nivory tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’io volana io ihany sy tamin’ny andro fahefatra amby folo koa. Nitsahatra tamin’ny andro fahadimy amby folo izy ireo koa io no nataony andro fifanasana sy firavoravoana. Noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin’ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana Adara ho andro firavoravoana sy fifanasana ary andro fifaliana sy fifanolorana fanomezana. Ary nanoratra ny amin’izany zavatra izany i Mordekay sady nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay tany amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra, mba hampitandrina azy ny andro fahefatra amby folo sy ny fahadimy amby folo amin’ny volana Adara isan-taona, araka ny andro nahafahan’ny Jiosy tamin’ny fahavalony sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro fifaliana, mba hatao ho andro fifanasana sy fifaliana ary fifanolorana fanomezana sy fanolorana fanomezana ho an’ny mahantra izany. Nanaiky hanao ny zavatra izay efa natombony ho fomba raikitra ny Jiosy, araka izay efa nosoratan’i Mordekay taminy. Satria i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, fahavalon’ny Jiosy rehetra, dia nihevitra ny handringana ny Jiosy ka nanao Pora, na antsapaka, mba hampikorotan-tsaina azy sy handringanana azy. Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izany raharaha izany dia nampanoratra didy tamin’ny taratasy izy mba hatsingerina ho eo amin’ny lohan’i Hamana ihany ny hevi-dratsy nokasainy hatao amin’ny Jiosy ary mba hahantona amin’ny hazo izy sy ireo zanany lahy. Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Araka ny teny rehetra tamin’izany taratasy izany sy izay hitany ny amin’izany zavatra nanjo azy izany dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoanany avy, isan-taona; ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin’ny taranany mifandimby rehetra sy ny fokony rehetra ary any amin’ny fari-piadidiana tsirairay sy any amin’ny tanàna tsirairay; ary mba tsy ho tapaka amin’ny Jiosy ireo andro Porima ireo ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin’ny taranany. Ary i Estera, vadin’ny mpanjaka sady zanakavavin’i Abihaila sy i Mordekay jiosy, dia nanoratra tamin’ny fahefana rehetra mba hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany. Ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izy, dia ho any amin’ny fari-piadidiana fito amby roapolo amby zato amin’ny fanjakan’i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana mba hampitandrina azy ireo andro Porima ireo amin’ny fotoanany, araka izay nandidian’i Mordekay jiosy sy i Estera, vadin’ny mpanjaka, azy sy araka izay efa nekeny ho an’ny tenany sy ny taranany koa ny amin’ny fifadian-kanina sy ny fitarainana izay hataony. Ary ny tenin’i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin’ny boky izany. Nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina i Ahasoerosy mpanjaka. Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin’ny filazana ny fahalehibiazan’i Mordekay, araka izay nanandratan’ny mpanjaka azy, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’i Media sy i Persia va izany? Fa i Mordekay jiosy no nanarakaraka an’i Ahasoerosy mpanjaka tamin’ny fahefana, sady nalaza tamin’ny Jiosy ka nankasitrahan’ny rahalahiny maro, satria nitady izay hahasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ny olona rehetra iray firazanana taminy. Nisy lehilahy iray tany amin’ny tany Oza, Joba no anarany. Marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy. Niteraka fito lahy sy telo vavy izy. Ny fananany dia ondry aman’osy fito arivo, rameva telo arivo, omby arivo, borikivavy dimanjato ary mpanompo marobe. Nanankarena be mihoatra noho ny zanaky ny Atsinanana rehetra izany lehilahy izany. Fanaon’ny zanany lahy ny nifanasa ka nitety ny tranony avy, ary nandefa iraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy. Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia nandefa iraka haka azy i Joba ka nanamasina ireny. Nifoha vao maraina izy ka nanolotra fanatitra dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy i Joba: Fandrao nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva. Indray andro, nony avy ireo zanak’Andriamanitra mba hiseho teo anatrehan’NY TOMPO, dia mba tonga teo koa i Satana tafaharo taminy. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly NY TOMPO i Satana hoe: Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany aho, nandehandeha teny. Hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary i Satana dia namaly NY TOMPO hoe: Moa tsy fanantenan-javatra ihany va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Ianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany ka manenika ny tany ny omby aman’ondriny. Fa atsory ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e! Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Indro, eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza kasihin’ny tananao. Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Satana. Indray andro, raha nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy, dia nisy iraka tonga tany amin’i Joba ka nilaza hoe: Teo am-piasana ny omby ary nandrasana teo anilany ny borikivavy; nisy Sabeana namely azy tampoka ka namabo azy ary ny mpanompo dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon’Andriamanitra ary nandoro ny ondry aman’osy sy ny mpanompo ka nandevona azy. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nisy Kaldeana nanao telo toko, niroatra nankeny amin’ny rameva izy ireo ka namabo azy ary ny mpanompo dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa; ary indro, nisy rivotra mahery avy tany an-tany efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ny zatovo ny trano ka maty izy rehetra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. Dia nitsangana i Joba ka nandriatra ny akanjobeny ary nanaratra ny lohany dia niankarapoka tamin’ny tany sady niteny hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’Ineny ary mitanjaka no hiverenako any; NY TOMPO no nanome ary NY TOMPO no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’NY TOMPO! Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota i Joba na nanome tsiny an’Andriamanitra. Indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’NY TOMPO dia mba tonga teo koa i Satana tafaharo taminy, mba hiseho teo anatrehan’NY TOMPO. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Ary namaly NY TOMPO i Satana hoe: Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany aho, nandehandeha teny. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy na dia nanesika Ahy hamongotra azy tsy amin’antony aza ianao. Ary i Satana dia namaly NY TOMPO hoe: Hoditra fefin’ny hoditra! Eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy. Fa atsory ange ny tananao ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e! Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana! Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Satana ka namely vay ratsy an’i Joba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. Dia naka tavim-bilany hihaorany izy sady nipetraka teo amin’ny lavenona. Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty! Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny vehivavy adala ny teninao! Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony i Joba. Rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy, dia i Elifaza temanita, i Bildada sohita ary i Zofara namatita. Nifamotoana izy ireo mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy. Ary nanopy ny masony teny lavidavitra teny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony ka nitomany; ary samy nandriatra ny akanjobeny avy koa izy rehetra dia nanipy vovoka ho amin’ny lanitra hiraraka amin’ny lohany. Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ny tany fito andro sy fito alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraimbava akory aza satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany. Rehefa afaka izany dia niloa-bava i Joba nanozona ny androny. Hoy izy: Ho foana anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay niteny hoe: Misy zazalahy vao torontoronina! Aoka izany andro izany ho maizina; aoka tsy hikaroka azy avy any ambony Andriamanitra; aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy! Aoka hitaky azy indray ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana; aoka hitatao eo amboniny ny rahona; aoka hampihoron-koditra azy ny fahamaizin’ny andro! Aoka ny haizim-pito hisambotra izany alina izany! Aoka tsy hiara-mifaly amin’ny andron’ny taona izy ary tsy ho anatin’ny fanisana ny volana! Eny, aoka ho momba izany alina izany; aoka tsy ho velona ao ny hoby! Aoka hanozona azy ny mpanozona andro izay mahay mamoha ny dragona! Aoka ho maizina ny kintan’ny marainany! Aoka hiandry ny mazava izy nefa tsy hisy! Ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ny maraina izy! Satria tsy nanidy ny varavaran’ny kibon’Ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ny masoko. Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e ary tsy niala aina raha vao nivoaka avy tany an-kibo? Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako? Fa raha tsy izany dia efa nandry tamim-piadanana aho; eny, natory aho ka afa-tsasatra niaraka tamin’ny mpanjaka sy ny mpanolotsainan’ny tany izay nanao ireny tanàna efa rava ireny, na niaraka tamin’ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony; na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory. Any no itsaharan’ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby intsony ary any ny reraka no afa-tsasatra; miadana avokoa ny mpifatotra, tsy mandre ny feon’ny mpampijaly izy; samy any ny kely sy ny lehibe ary afaka amin’ny tompony ny mpanompo. Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka ary fiainana ho an’izay latsaka amin’izay feno alahelo, izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina; izay faly indrindra sady ravoravo raha mahita ny fasana, dia olona izay mandeha ao amin’ny maizina sady voafefin’Andriamanitra manodidina? Fa mialoha ny hanin-kohaniko ny fitolokoko ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako; fa izay atahorako no mahazo ahy ary izay angovitako no manjo ahy. Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fiatoana akory aza aho dia tonga indray ny tebiteby. Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita hoe: Raha misy sahy miteny aminao dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no hahavita izany? Indro, efa nananatra ny maro ianao ary ny tanana miraviravy dia efa nampaherezinao; efa nanohana izay efa saika lavo ny teninao ary efa nampatanjahinao ny lohalika malemy. Nefa ankehitriny, mba manjo anao izany dia kivy ianao! Mihatra aminao izany ka raiki-tahotra ianao! Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy ny fahitsian’ny lalanao va no fanantenanao? Miangavy anao aho, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany; ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy; eny, ny fofonain’ny fahatezerany no mandevona azy. Ny fieron’ny liona; eny, ny feon’ny liona masiaka ary ny nifin’ny liona tanora dia tapaka; maty ny liona noho ny tsy fahitany remby ary mihahaka ny zanaky ny liom-bavy. Nisy teny tonga tamiko mangingina ary ny sofiko dia nahare siosio avy taminy, tamin’ny eritreritra avy amin’ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona, dia azon-tahotra sy hovitra aho ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany; nisy tso-drivotra nandalo teo amin’ny tavako ka nampitsangam-bolo ny tenako. Nijanona izy nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; nisy endri-javatra teo anoloan’ny masoko; nisy fahanginana, dia nandre feo aho hoe: Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona? Indro, na ireo mpanompony aza dia tsy itokiany; eny, ireo irany aza dia ahitany fahadisoana, koa mainka izay mitoetra amin’ny trano tanimanga sady avy tamin’ny vovoka no niaviany ary mora poretina noho ny kalalao izy! Indray andro monja dia montsana izy; tsy misy misaina azy na dia levona mandrakizay aza izy. Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty tao amin’ny tsy fananana fahendrena izy. Miantsoa ange! Moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ireo masina no hotodihinao? Fa ny adala dia vonoin’ny fahasosorana ary ny kely saina dia matin’ny fialonana. Izaho dia nahita olona adala mamaka, nefa vetivety indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho. Aoka ho lavitra ny famonjena ny zanany ka ho torotoro eo am-bavahady nefa tsy misy mamonjy! Aoka ny vokatry ny taniny ho lanin’ny mosarena; eny, halainy na dia voafefy tsilo aza! Ary aoka ny mangetaheta hitsiriritra ny fananany. Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny alahelo ary tsy mitrebona avy amin’ny tany ny fahoriana, nefa teraka ho amin’ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ny kilalaon’afo miakatra. Fa raha izaho kosa dia hitady an’Andriamanitra aho ary Andriamanitra ihany no hametrahako ny raharahako. Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy ary zava-mahagaga tsy hita isa; mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ny tany Izy ary mampandeha rano eny amin’ny saha; apetrany amin’ny avo izay ambany ary ny misaona no asandrany ho amin’ny famonjena. Izy no mandrava ny hevitry ny fetsy ka tsy mahefa na inona na inona ny tanan’ireny; ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ny mpiolakolaka dia rava; na dia amin’ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ny maizina ireny ka miraparapa amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny alina, fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ny sabatry ny vavany; eny, vonjeny tsy ho azon’ny tanan’ny mahery izy. Dia misy fanantenana ho an’ny reraka, fa ny faharatsiana kosa dia mihombom-bava. Indro, sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra! Koa aza atao tsinontsinona ny famaizan’ny Tsitoha! Fa sady mandratra Izy no mamehy; manorotoro Izy ary ny tanany ihany no manasitrana. Amin’ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; eny, amin’ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao. Raha avy ny mosary dia hiaro anao amin’ny fahafatesana Izy ary raha avy ny ady dia hiaro anao tsy ho voan’ny sabatra Izy; afeniny tsy ho voan’ny kapo-bava ianao ary tsy hatahotra ianao raha avy ny fandringanana; ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao ary tsy hatahoranao ny bibidia; fa vita fanekena amin’ny vato any an-tsaha aza ianao ary ny bibidia dia hihavana aminao. Ho hitanao fa ny fiadanana no tranolainao, ary raha mizaha ny kijananao ianao dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao. Ho hitanao koa fa maro ny zanakao ary ny naterakao dia ho tahaka ny ahitra amin’ny tany. Mbola feno tanjaka ianao no hiditra any am-pasana, tahaka ny famoriana ny amboaram-bary amin’ny fotoanany. Izany ary no izy fa efa nandinika azy izahay! Hevero ary izany ka fantaro tsara! Dia namaly i Joba hoe: Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako ka hampifandanjaina amin’ny mizana izy sy ny fahoriako! Fa ankehitriny dia mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako ka nirediredy aho. Fa ny zana-tsipìkan’ny Tsitoha no mitsatoka amiko ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko ary ny fampitahoran’Andriamanitra dia milahatra hamely ahy. Maneno va ny borikidia raha eo amin’ny vilona? Na mimamà va ny omby raha eo amin’ny vilona fihinany? Azo hanina va ny matsatso raha tsy asian-tsira? Mba misy tsirony va ny tapotsin’atody? Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko na dia maharikoriko ahy aza! Enga anie ka ho azoko izay angatahiko ary homen’Andriamanitra ahy anie izay iriko! Ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy; eny, halefany anie ny tanany ka hanapitra ny aiko! Dia hahita fiononana amin’izany aho ka hibitaka noho ny hafaliana na dia amin’ny fangirifiriana tsy mifaditra ovana aza satria tsy nandà ny tenin’ny Iray Masina aho. Inona moa ny heriko no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny hiafarako no hanindry fo aho? Herim-bato va ny heriko? Varahina va ny nofoko? Tsy efa foana va ny hery hoentiko mamonjy tena ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana? Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ny sakaizany, fandrao hahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. Namadika ahy tahaka ny ranotrambo ny rahalahiko, tahaka ny masondrano any an-dohasahan-driaka izay malaky ritra, izay mivalomainty azon’ny ranomandry sady iafenan’ny orampanala, fa raha taninin’ny hainandro izy dia levona; raha maina ny andro dia ritra eo amin’ny fitoerany izy. Mivily lalana ny andian’ireo mpivarotra mandehandeha; miroso ho any an-tany foana izy ka very any. Mitazana azy ny andian’i Tema, manantena azy ny tarik’i Sheba; diso fanantenana ireo; tonga teo izy kanjo nangaihay. Fa ankehitriny, ianareo koa dia tsinontsinona; mahita ny loza manjo ianareo ka raiki-tahotra! Moa va efa niteny aho hoe: Omeo aho ka mahafoiza zavatra ho ahy avy amin’ny fanananareo? Ary vonjeo amin’ny tanan’ny fahavalo aho ka afaho amin’ny tanan’ny mpampihorohoro? Mampianara ahy dia hangina aho ary ampahafantaro ahy izay nahadiso ahy. Endre, ny herin’ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo? Teny ihany va no heverinareo hokianina, dia tenin’ny olona mamoy fo izay entin’ny rivotra? Eny, fa na dia ny kamboty aza dia anaovanareo filokana ary ny sakaizanareo dia amidinareo! Fa ankehitriny, miangavy anareo, mba atreho kely aho! Dia ho hitanareo fa tsy mandainga aho tsy akory. Miangavy anareo, diniho indray aho ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako! Moa misy heloka va eo amin’ny lelako? Tsy mahay mamantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona etỳ ambonin’ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny? Toy ny mpanompo maniry alokaloka ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ny asany, dia toy izany no nanaovana ny volana mampahory ho lovako ary ny alina mahadisadisa ho anjarako. Raha vao mandry aho dia mieritreritra hoe: Rahoviana re aho no hifoha? Fa mihalava ny alina ary tsy mitsahatra mivadibadika aho mandra-pahazava ny andro. Ny nofoko dia mitafy olitra sy takompery toy ny baingan-tany; tonga vakivaky ny hoditro sady mitsiranorano. Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana! Tsarovy fa tso-drivotra ny aiko! Tsy hahita soa intsony ny masoko. Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy. Hizaha ahy ny masonao nefa tsy ho eo aho. Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin’ny fitoeran’ny maty, dia tsy mba hiakatra intsony; tsy hiverina any an-tranony intsony izy ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. Ary izaho dia tsy hamehy vava fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny foko. Ranomasina va aho sa trozona no dia asianao fiambenana? Raha hoy aho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandrianako, dia mampitahotra ahy amin’ny nofy Ianao ary mampihorohoro ahy amin’ny fahitana. Koa aleoko hokendaina; eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izao taolako mitrakitraky izao! Maharikoriko ahy izao! Tsy ho ela velona aho! Avelao amin’izao aho fa fofona foana ny androko. Inona moa ny zanak’olombelona no isahirananao ka ikarakaranao azy fatratra? Sady vangianao isa-maraina izy no zahanao toetra isaky ny indray mipy maso? Oviana re no hihodina tsy hijery ahy Ianao ka hiala amiko mba hahazoako mitelin-drora? Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho ka tonga enta-mavesatra amiko ny tenako? Nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Ianao? Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho; hitady ahy fatratra Ianao nefa tsy hisy intsony aho. Dia nandray fitenenana i Bildada sohita hoe: Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao ka hitsoka toy ny tafio-drivotra ny teny aloaky ny vavanao? Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha va hamadika ny rariny? Raha nanota Taminy ny zanakao dia nampanodiaviny azy ny fahadisoany. Fa raha ianao kosa no mandroso mitady an’Andriamanitra ka mifona amin’ny Tsitoha, ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ny fahamarinanao, koa na dia kely aza no niandohanao dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. Fa miangavy anao aho, anontanio ange ny Ntaolo, ka fantaro ny traikefa hitan’ny razany, fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala ary aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ny tany. Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony? Haniry va ny zozoro raha tsy eny amin’ny honahona? Hitrebona va ny harefo raha tsy misy rano? Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ny zava-maitso rehetra. Toy izany no lalan’izay rehetra manadino an’Andriamanitra ary ho levona ny fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy; ho potika ny fanantenany satria tranon-kala no itokiany. Miankina amin’ny tranony izy, kanjo mikoa iny; mifikitra mafy aminy izy, kanjo tsy mahajoro iny. Mitsimoka tsara tandrifin’ny masoandro izy ary ny rantsany dia misandrahaka eo amin’ny tanimboliny; mifelipelika mifaniditra eo amin’ny korontam-bato ny fotony ary mahazo any anelanelany any. Nony fongorany hiala amin’ny fitoerany izy dia handa azy izany ka hilaza hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho. Indro, izany ihany no fifalian’ny lalan-kalehany ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ny vovoka. Indro Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy; mbola hofenoiny hehy ny vavanao ary hoby ny molotrao. Hitafy henatra izay mankahala anao ary tsy hisy intsony ny tranolain’ny ratsy fanahy. Dia namaly i Joba hoe: Fantatro tokoa fa izany no izy; fa aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Raha te hifandahatra Aminy izy dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ny arivo aza. Lalim-pahendrena Izy sady feno hery sy tanjaka. Iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona? Mamindra tendrombohitra Izy nefa tsy mahalala izany akory ireny. Mamadika azy amin’ny fahatezerany Izy, mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ny toerany Izy ka mihozongozona ny andriny. Manome teny ny masoandro Izy ka tsy miposaka iny; manisy tombo-kase manafina ny kintana Izy. Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina; manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona mbamin’ireo kintana maro any atsimo. Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy; eny, fahagagana tsy hita isa. Indro, mandalo ahy Izy nefa tsy hitako ary mihelina Izy nefa tsy fantatro. Indro, mipaoka Izy, koa iza no mahasakana Azy? Iza no hilaza Aminy hoe: Inona no ataonao? Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; ny mpanampy an’i Rahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny. Mainka fa izaho dia tsy mahavaly Azy na mahafidy teny hifandaharako Aminy; fa na dia marina aza aho dia tsy hahavaly akory; hifona amin’Ilay manana ady amiko no hany heriko. Raha mba niantso aho ka namaly ahy aza Izy dia tsy ho nino aho fa nihaino ny feoko Izy. Fa manorotoro ahy amin’ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny ratrako tsy amin’antony sady tsy avelany haka aina akory aho fa vokisany zava-mangidy. Raha ny amin’ny hery, ny matanjaka, dia Izy izany! Ary raha ny amin’ny fitsarana, iza no hampiantso ahy? Na dia marina aza aho dia hanameloka ahy ihany ny vavako ary na dia tsy manan-tsiny aza aho dia hanao ahy ho meloka ihany Izy. Marina aho nefa ataoko tsinontsinona ny aiko; tsy ahoako izay ho velona. Mitovy ihany, koa izany no nilazako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa. Raha misy loza mahafaty tampoka dia ihomehezany ny fizahan-toetra manjo ny tsy manan-tsiny. Ny tany dia efa voatolotra ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy; manarona ny tavan’ny mpitsara Izy. Raha tsy Izy no manao izany dia iza indray ary? Ny androko dia haingana noho ny iraka haingam-pandeha; lasa ireny ka tsy nahita soa akory. Mihelina tahaka ny lakana zozoro izy, tahaka ny voromahery mipaoka ny rembiny. Raha hoy aho hoe: Hanadino ny fitarainako aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramiran-tava, dia maharaiki-tahotra ahy ny fahoriako rehetra. Fantatro fa tsy hataonao ho afa-tsiny aho. Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho! Koa nahoana aho no hanasa-tena foana? Na dia mandro amin’ny orampanala aza aho ka manadio ny tanako amin’ny ranon-davenona dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’izay Ianao ka hataon’ny fitafiako ho zava-betaveta aho. Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valina mba hifanatrehanay eo amin’ny fitsarana. Tsy misy mpanelanelana anay ka hametraka ny tanany aminay roa tonta. Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy ary aoka tsy hampaharaiki-tahotra ahy intsony ny fampitahorana ataony! Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy satria ho fantatro fa tsy hatahotra foana aho! Maharikoriko ahy ny aiko! Hamoaka ny fitarainako aho ary hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko. Hiteny amin’Andriamanitra aho hoe: Aza manameloka ahy! Mba ampahalalao ahy izay anton’ny iadianao amiko! Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaran’ny tananao ka hamirapiratra amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy Ianao? Manana maso nofo va Ianao na mijery tahaka ny fijerin’ny zanak’olombelona? Tahaka ny andron’ny zanak’olombelona va ny andronao na tahaka ny taonan’ny olombelona va ny taonanao no dia mikaroka izay heloko Ianao ary mikatsaka izay fahotako, na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho ary tsy misy mahavonjy amin’ny tananao? Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao! Miangavy Anao aho, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, koa hamerina ahy amin’ny vovoka indray va Ianao! Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny rononomandry? Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ny taolana sy ny ozatra. Aina sy famindrampo no nomenao ahy ary ny fiahianao no niaro ny fofonaiko. Saingy izao no nafeninao tao am-ponao; eny, fantatro fa tao Aminao izao: Raha manota aho dia mamantatra ahy Ianao ka tsy manafaka ahy amin’ny heloko. Raha meloka aho dia lozako! Ary na dia marina aza aho dia tsy ho sahy miandrandra satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho. Fa raha sahy miandrandra aho dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Ianao ary hiverina indray Ianao ka ho mahagaga ny famelinao ahy. Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Ianao ary hampitombo ny fahatezeranao amiko; fahavalo mifanontona no mamely ahy. Koa nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Ianao? Fa raha tsy izany dia ho niala aina aho ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory, ary efa toy ny tsy ary aho ka noentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Ianao, mihataha mba hakako aina kely, dieny tsy mbola lasa ka tsy hiverina intsony aho, dia ho any amin’ny tanin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana, ho any amin’ny tany maizim-pito, dia ny an’ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana sady maizim-pito ny famirapiratana any! Dia nandray fitenenana i Zofara namatita hoe: Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava dia ho marina va? Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Dia haniratsira ianao ka tsy hisy handresy lahatra? Hoy ianao: Madio ny teny nalahatro ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao! Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina fa tsy hita lany izany, koa ho fantatrao fa navelan’Andriamanitra ny helokao sasany. Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra? Ary hitanao va hatrany amin’ny fahatanterahan’ny Tsitoha? Avo tahaka ny lanitra izany ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fitoeran’ny maty izany ka inona no fantatrao? Mihoatra noho ny tany ny fivelarany ary lehibe noho ny ranomasina. Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana dia iza moa no mahasakana Azy? Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy ary hitany ny heloka na dia tsy mandinika akory aza Izy. Fa ny fahendren’olombelona dia fahendrena poakaty ary raha vao teraka izy dia toy ny zanaky ny borikidia. Fa raha ampanatrehinao Azy ny fonao ary atantinao Aminy ny tananao ka misy heloka eo an-tananao dia ario lavitra izany ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; fa ho hadinonao ny fahorianao: toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza dia ho tonga tahaka ny maraina. Hatoky ianao satria misy ny fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ahiahy. Dia ho tafandry ianao fa tsy hisy hanaitaitra ary maro no hila sitraka aminao. Fa ny mason’ny ratsy fanahy kosa dia ho pahina ka ho levona avokoa ny toeram-pialofany ary ny fialana aina ihany no hany sisa azony antenaina. Dia namaly i Joba hoe: Marina ary fa ianareo ihany tokoa no olombelona ary hiara-maty aminareo ny fahendrena! Kanefa izaho dia mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; tsy latsaka noho ianareo aho; fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany? Tonga fihomehezan’ny sakaizako aho, dia izaho izay niantso an’Andriamanitra ka novaliny; eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny. Latsa no anjaran’ny ozoim-pahoriana! Izany no hevitry ny olo-miadana; eny, efa vonona ho an’izay mangozohozo izany. Mandry fehizay ny tranolain’ny mpitohatoha ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’Andriamanitra; eny, izay mihazona an’Andriamaniny eo an-tanany. Kanefa anontanio ange ny biby fa hampianatra anao izy ary ny voromanidina fa hanambara aminao izy; makà saina amin’ny tany dia hampianatra anao izy; ary ny hazandrano any an-dranomasina no hampahafantatra anao. Iza no tsy mahalala raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’NY TOMPO izay mitana ny ain’ny zavamananaina rehetra sy ny fofonain’ny olombelona rehetra? Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina? Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena ary ny fahelavelona no ahazoam-pahalalana. Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery. Izy no manana fanoloran-tsaina sy fahalalana. Indro, izay ravany dia tsy hatsangana intsony; izay olona hidìny dia tsy hovohana. Indro, mihazona ny rano Izy dia ritra iny ary alefany indray ka manimba ny tany. Izy no manana hery sy tena fahendrena; samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka. Alàny voninahitra ny mpanolotsaina ary ataony very saina ny mpitsara. Vahàny ny fanapahan’ny mpanjaka ka sikina no ampanaoviny azy. Alàny voninahitra ny mpisorona ary azerany ny mafy orina hatry ny ela. Koroiny ny lahatenin’ny mahay ary esoriny ny hazavan-tsain’ny zokiolona. Mandrotsaka fandatsana amin’ny andriandahy Izy ary mampiketraka ny fehikibon’ny matanjaka. Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ny mazava. Mahalehibe ny firenena Izy nefa mandringana azy koa; mampihahaka ny firenena Izy nefa mitondra azy hody indray. Mahavery saina ny loholona amin’ny tany Izy ary mampirenireny azy any amin’ny tany efitra tsy misy lalana; mitsapatsapa amin’ny maizina tsy misy mavaza ireo ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy. Indro izany rehetra izany dia efa hitan’ny masoko ary efa ren’ny sofiko ka azony. Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory. Kanefa raha izaho dia ny Tsitoha no tiako hitenenana ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny. Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga, mpitsabo tsy mahomby ianareo rehetra. Raha mba nangina tanteraka ianareo dia ho fahendrenareo izany! Miangavy anareo aho, henoy ny anatro ary tandremo izay alahatry ny molotro. Hanao teny tsy marina hoenti-manamarina an’Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo? Hiangatra va ianareo ka hiandany Aminy? Handaha-teny ho an’Andriamanitra va ianareo? Ho tsara aminareo va raha mandinika anareo Izy? Sa ho azonareo fitahina ohatra ny famitaka zanak’olombelona va Izy? Hanameloka anareo mihitsy Izy raha miangatra ao amin’ny mangingina ianareo. Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hianjera aminareo va ny fahatahorana Azy? Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana ary manda fotaka ihany ny mandanareo. Mangìna ka mialà amiko ianareo! Fa mba hiteny aho, koa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy. Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ny nifiko aho ka hanaovako ny aiko tsy ho zavatra? Na dia hamono ahy aza Izy dia mbola hanantena Azy ihany aho, kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho. Ary izany no ho famonjena ahy satria ny mpihatsaravelatsihy dia tsy ho sahy hankeo anatrehany. Henoy tsara ny teniko ary aoka ho ren’ny sofinareo ny fanazavako. Indro, efa nalahatro ny adiko; fantatro fa hanan-drariny aho. Iza no hifandahatra amiko? Fa izao dia hangina aho ka hiala aina. Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko dia tsy hiery Anao aho: Esory lavitra ahy ny tananao ary aoka tsy hampihorohoro ahy ny fampitahorana avy Aminao. Dia miantsoa fa hamaly aho; na izaho no hiteny dia Ianao no hamaly ahy. Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahafantaro ahy izay fikomiako sy izay fahotako. Nahoana no manafina ny tavanao Ianao ka manao ahy ho fahavalonao? Moa izay ravin-kazo indaosin’ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao? Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy ka ampanodiavinao ahy ny heloky ny fahatanorako. Mampiditra ny tongotro eo amin’ny boloky hazo Ianao ary mitsongo ny diako rehetra sady alainao marika ny dian-tongotro. Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra lanin’ny fositra; eny, tahaka ny akanjo lanin’ny koroka. Ny olona tera-behivavy! Vitsy andro izy sady vontom-pahoriana. Toy ny voninkazo izy: Mitsimoka dia mihamalazo. Mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy maharitra. Kanefa amin’izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao ka izay izaho avy no entinao hifandahatra Aminao amin’ny fitsarana! Iza no olona madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza. Raha voafetra ny androny ary voatendrinao ny isan’ny volana iainany ary asianao fefy tsy azony ihoarana dia mitodiha tsy hanatrika azy Ianao mba hitsaharany ka hifaliany amin’ny androny toy ny mpikarama. Fa azo antenaina ny hazo satria na dia kapaina aza izy dia mbola hitsimoka indray ka tsy maintsy hisy ny solofony; na dia efa tonga antitra ao anaty tany aza ny fotony ary maty ao amin’ny vovoka ny vatany, raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena. Fa ny olona kosa dia maty ka miampatra; eny, miala aina ny olona, dia aiza izy? Misintona ny rano ka miala amin’ny ranomasina; mihena ny ony ka ritra, ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hiarina intsony; eny, raha mbola misy koa ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ny torimasony. Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fitoeran’ny maty Ianao ka hanafina ahy mandra-pahafaka ny fahatezeranao ary hanendry fetrandro ho ahy ka hahatsiaro ahy. Raha maty ny olona, moa mety ho velona indray va izy? Raha izany dia hiandry aho mandritra ny fotoam-panompoako, mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy. Dia hiantso Ianao ary hamaly Anao aho ary mba halahelo ny asan’ny tananao Ianao. Ankehitriny, manisa ny diako Ianao; nefa amin’izay fotoana izay, tsy handinika ny fahotako Ianao, fa ho voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako, ary ho voalalotrao tsy ho hita ny heloko. Kanefa na dia ny tendrombohitra aza raha mianjera dia ho potika ary ny vatolampy dia hifindra hiala amin’ny toerany; lanin’ny rano ny vato ary indaosin’ny riaka ny vovo-tany; toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ny zanak’olombelona. Mandresy azy ho mandrakizay Ianao dia lasa izy; manova ny tarehiny Ianao, avy eo dia mandroaka azy. Omem-boninahitra va ny zanany? Tsy fantany akory izany. Voaetry va ireo? Tsy hitany akory izany. Ny mihatra amin’ny nofony ihany no mampanaintaina azy ary ny mihatra amin’ny tenany ihany no mampitaraina azy. Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita: Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry ka hameno ny kibony amin’ny rivotra avy any atsinanana? Hamaly amin’ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara va izy? Eny, foananao ny fahatahorana an’Andriamanitra ary tampenanao ny dinika eo anatrehany; fa ny helokao no manesika ny vavanao ary mifidy ny fitenin’ny olom-petsy ianao. Ny vavanao ihany no manameloka anao fa tsy izaho ary ny molotrao ihany no mamely anao. Ianao va no olombelona nateraka voalohany? Sa, naloaky ny kibo talohan’ny havoana va ianao? Ianao va nihaino teo amin’ny filankevitra teo amin’Andriamanitra ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena? Inona no fantatrao ka tsy mba fantatray koa na saina azonao ka tsy ato aminay koa? Ny zokiolona sy ny fotsy volo dia misy ato aminay; eny, olona ela niainana noho ny rainao aza. Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’Andriamanitra sy ny teny natao taminao amin’ny halemem-panahy? Nahoana no dia entin’ny fonao ianao? Ary nahoana no mikimpikimpy foana ny masonao ka miefonefona amin’Andriamanitra ianao sady miteniteny foana ny vavanao? Inona ny zanak’olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina? Indro ireo masiny aza dia tsy mahatoky Azy ary ny lanitra aza dia tsy madio eo imasony; koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toy ny rano! Hanambara aminao aho ka mihainoa ahy, fa izay efa hitako no hotantaraiko, dia zavatra notorin’ny olon-kendry fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ny razany. Ireny ihany no nomena ny tany ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy. Mijalijaly amin’ny androny rehetra ny ratsy fanahy, na firy na firy ny taona voatendry ho an’ny mpampihorohoro. Feo mampitahotra no ren’ny sofiny ary na dia miadana aza izy dia avy hamely azy ihany ny mpandroba. Tsy manantena ho afaka amin’ny maizina izy; miandry azy ny sabatra. Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka miteny hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina. Fahoriana sy fahaporetana no mampitahotra azy. Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ny ady satria nanatsotra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra izy ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha. Mimaona amin’ny hamafian-katoka izy hamely Azy, dia amin’ny vohon’ny ampingany matevina. Rakotry ny tavy ny tarehiny ary mivalon-kotraka ny andilany; nefa honina ao amin’ny tanàna rava izy, dia ao amin’ny trano tsy tokony hitoeran’olona, izay voatendry ho korontam-bato. Tsy hanankarena intsony izy sady tsy haharitra ny heriny ka tsy ho vokatra ambonin’ny tany ny fananany. Tsy ho afaka hiala amin’ny maizina izy; ny solofony dia hikainkona azon’ny lelafo; ho levon’ny fofonain’Andriamanitra izy. Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy, fa zava-poana no ho valiny homena azy. Raha mbola tsy tonga aza ny fetrandrony dia manjo azy izany ary tsy ho maitso ny sampany. Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny. Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ny mpihatsaravelatsihy ary ho lanin’ny afo ny tranolain’ny mpitoroka. Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fasiahana ary ny kibony dia mamorom-pitaka. Dia namaly i Joba hoe: Efa nandre zavatra maro toy izany aho; mpampionona mahasorena foana ianareo rehetra. Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany? Izaho kosa dia mba nahazo niteny tahaka anareo raha mba tamin’ny toerana misy ahy ianareo; eny, ho nahazo nandahatra teny hoenti-mamely anareo aho ary nahazo mihifikifi-doha aminareo; nahazo nampahery anareo tamin’ny vavako aho ary nahazo nampitony ny alahelonareo ny fampiononana nataon’ny molotro. Fa raha miteny aho dia tsy mitsahatra ny alaheloko; ary raha mangina aho, ahoana no hialany amiko? Fa ankehitriny dia efa nandemy ahy Izy; naringanao ny ankohonako rehetra. Nampifezaka ny tenako Ianao ka tonga vavolombelona mamely ahy izany. Mitsangana hiampanga ahy ny fahiazako ka tondro-maso mifanatrika izany. Amin’ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko; nisanasana vava tamiko ny olona; latsa no noentiny namely ny takolako; mitambatra hamely ahy izy. Efa voatolotr’Andriamanitra ho amin’ny ratsy fanahy aho ary natsipiny ho eo an-tanan’ny mpanota. Tamin’ilay izaho tsy nanana ahiahy iny dia nanozongozona ahy Izy; nosamboriny tamin’ny hatoko aho ka nomontsaniny ary natsangany indray ho marika hokendreny. Manodidina ahy ny zana-tsipìkany; mamaky ahy hatrany anatiko Izy ka tsy miantra ary mandraraka ny aferoko ho amin’ny tany. Tsy mitsahatra manisy banga amiko Izy ka miroatra hamely ahy tahaka ny mpiady mahery. Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro ary nalako baraka teo amin’ny vovoka ny tandroko. Teramenan’ny fitomaniana ny tavako ary eo amin’ny hodimasoko ny aloky ny fahafatesana. Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny ary madio ny vavaka ataoko. Ry tany ô, aza manarona ny rako ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako! Fa na dia ankehitriny izao aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko; eny, ny Mpiantoka ahy dia any amin’ny avo. Mihomehy ahy ny sakaizako; mandrotsa-dranomaso eo anatrehan’Andriamanitra kosa aho mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy ary hanafa-tsiny ahy zanak’olombelona amin’ny sakaizako. Fa efa kely sisa ny taona hiainako ka handeha any amin’ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho. Efa ho ritra ny aiko, efa mitsilopilopy ny androko, efa miandry ahy ny fasana. Eny, mpaneso avokoa no manodidina ahy ary tsy mamela ahy hahita torimaso ny filany ady amiko. Miangavy anao aho, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; fa iza moa no hanaiky hiantoka ahy? Fa ny fon’ireto dia voahidinao tsy hidiran’ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy. Toy ny lehilahy manasa ny sakaizany hizara fananana izy nefa pahina ny mason’ny zanany. Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ny firenena Izy ary ny tavako ho fandrora. Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; efa toy ny aloka ny rantsambatako rehetra. Ankona noho izany ny olona mahitsy ary ny tsy manan-tsiny dia mihendratra mahita ny mpihatsaravelatsihy. Fa ny marina dia mifikitra tsara amin’ny alehany ary izay madio tanana no hitombo hery. Ianareo rehetra ireo, avia! Miverena e! Tsy mahita olon-kendry eo aminareo aho. Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako, dia izay hevitra nofikirin’ny foko indrindra. Ny alina dia ataon’ireny ho antoandro ary ny mazava dia ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina. Raha mbola misy antenaiko dia ny fitoeran’ny maty fonenako ihany; ao amin’ny maizina no hamelarako ny fandrianako. Ny fasana no nantsoiko hoe: Ianao ho raiko! Ary ny kankana: Ianao no reniko sy anabaviko! Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy? Midina any amin’ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty izany raha miara-mahita fitsaharana ao amin’ny vovoka izahay. Dia namaly i Bildada sohita hoe: Mandra-pahoviana no hanisy fandrika amin’ny teny ianareo? Mba hendre aloha dia vao hiteny izahay. Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo? Ry ilay mamiravira tena amin’ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ny toerany? Eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy ary hitsilopilopy ny lelafony; ny mazava dia hanjary maizina ao amin’ny tranolainy ary ny jirony eo amboniny dia ho faty. Ny diany izay navitrika teo aloha dia hiha ety ary ny fisainany ihany no handavo azy. Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ny fandrika harato ka manitsaka eo amin’ny harato izy; azon’ny fandrika ny voditongony ary voahazon’ny tadivavarana; miafina ao amin’ny tany ny fandrika haningotra azy ary ny tonta dia efa vonona eny an-dalana. Manodidina azy ny fampitahorana mampihorohoro azy ka mampivadi-po azy eny amin’ny alehany rehetra. Hamely azy ny mosary raha mbola ao amin’ny heriny izy ary efa vonona eo anilany ny fandringanana ka handany tsikelikely ny hodiny; ny ratsambatany dia lanin’ny lahimatoan’ny fahafatesana. Ongotana hiala amin’ny tranolainy izay nitokiany izy ka hoentinao eo amin’ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra. Mahazo mitoetra ao an-dainy ianao: Tsy azy intsony izany; solifara no hafafy amin’ny fonenany. Maina ny fotony ao ambany ary tapaka ny rantsany eo ambony. Ho very tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy ary tsy malaza eny ivelany izy. Roahina hiala amin’ny mazava ho any amin’ny maizina izy ary enjehina hiala amin’izao tontolo izao. Tsy manana fara aman-dimby eo amin’ny fireneny izy ka tsy misy olona tavela ao amin’ny toerana nonenany. Ny manjo azy dia italanjonan’ny any andrefana ary raiki-tahotra ny any atsinanana. Izany tokoa no iafaran’ny fonenan’ny ratsy fanahy ary izany no manjo ny toeran’ny tsy mahalala an’Andriamanitra! Dia namaly i Joba hoe: Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny? Efa impolo izay no nanaratsianareo ahy; tsy menatra ny hampahory ahy ianareo. Raha diso tokoa aho dia izaho ihany no andrian’ny fahadisoako. Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ny fandrika haratony. Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! Nefa tsy misy mamaly ahy; mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny! Ny lalako dia nofefeny ka tsy afa-mandroso aho; nasiany haizina eo amin’ny lalana alehako. Ny voninahitro dia nalany tamiko ary nesoriny ny satroboninahitra teo an-dohako. Efa nandrava ahy manodidina Izy ka efa ho faty aho; efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako. Nampirehetiny tamiko ny fahatezerany ka nataony ho fahavalony aho. Miara-mandroso ny antokon’ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny tranolaiko. Ny rahalahiko dia efa nampanalaviriny ahy ary ny olona nahazatra ahy dia mihafahafa amiko avokoa. Tsy misy eto intsony ny havako ary ny sakaizako dia efa nanadino ahy. Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny mpanompovaviko aza dia samy manao ahy ho olon-kafa; tonga olon-ko azy eo imasony aho. Antsoiko ny mpanompoko nefa tsy namaly ahy izy; mifona aminy amin’ny vavako aho. Ny fofonaiko dia mahaloiloy ny vadiko ary maharikoriko ny zanak’Ineny aho. Eny, ny ankizilahy madinika aza dia mamingavinga ahy; raha te hitsangana aho dia miteny mamely ahy ireny. Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko. Ny taolako dia miraikitra amin’ny hoditro sy ny nofoko ary ny akanjonifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra. Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô, fa namely ahy ny tanan’Andriamanitra. Nahoana no manenjika ahy tahaka an’Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ny nofoko? Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voasokitra ao amin’ny boky ireny! Enga anie ka ho voasoratra amin’ny vy fanoratana sady voaisy firaka eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay izy! Kanefa raha izaho dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy. Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko. Raha hoy ianareo: Fomba ahoana no hanenjehantsika azy? Dia hohitantsika ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy. Dia matahora ny sabatra ianareo; fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra mba ho fantatrareo fa misy fitsarana. Dia nandray fitenenana i Zofara namatita hoe: Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro; eny, noho ny fihetsiketsehana ato anatiko. Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy ary ny fanahiko dia mamaly ahy avy amin’ny fahalalako. Tsy fantatrao va fa hatry ny ela; eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ny tany dia vetivety foana ny firavoravoan’ny ratsy fanahy ary indray mipy maso monja ny fifalian’ny mpihatsaravelatsihy? Fa na dia mipaka amin’ny lanitra aza ny haavony ka mitehika amin’ny rahona ny lohany dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; ary izay nahafantatra azy dia hilaza hoe: Aiza izy? Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ny alina izy. Ny maso izay mijery dia indray mitopy ihany no ahitany azy ary tsy hahita azy intsony ny fonenany. Ny zanany no hamerin-trosa amin’ny malahelo ary ny tanany ihany no hampody ny harena nangoniny. Ny taolany dia feno ny herin’ny fahatanorana, nefa hiara-mandry aminy ao amin’ny vovoka izany. Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy ka afeniny ao ambanin’ny lelany, ary tsitsiny ka tsy foiny fa tehiriziny ao amin’ny lanilaniny ihany, dia hiova ao an-kibony ny haniny, ka aferon’ny menarana no ho ao anatiny. Harena no nateliny nefa haloany indray; loaran’Andriamanitra hiala ao an-kibony izany. Ny poizin’ny menarana no tsetsefiny; hahafaty azy ny lelan’ny menarana. Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono. Tsy azony atelina izay nikelezany aina fa tsy maintsy hampodiny; na dia be aza ny hareny dia tsy ho araka izany ny hafaliany. Efa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny fa tsy mba nanangana. Tsy mahalala mionona ny kibony ka tsy mamela na inona na inona tsy ho azony amin’izay notsiriritiny. Tsy misy tsy tratry ny fitiavany harena tafahoatra ka tsy haharitra ny fiadanany. Ho poriporitra izy na dia mihoa-pampana aza ny fananany; ny fahoriana no hamely azy amin’ny heriny rehetra. Halefan’Andriamanitra hameno ny kibony ny fahatezerany mirehitra; eny, halatsany aminy toy ny ranonorana hatrany amin’ny tsinainy izany. Raha mandositra ny vy fiadiana izy dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina; tsoahany izany ka mivoaka avy amin’ny tenany; eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ny atiny; tamy manatona azy ny fahatahorana mafy. Ny haizim-pito rehetra no voatahiry ho an’ny rakitra soa sarobidiny; afo tsy nisy nandrehitra no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ny tranolainy. Hambaran’ny lanitra ny helony ary hitsangana hiampanga azy ny tany, ho voapaoka ny harena tafiditra ao an-tranony; eny, ho levona izany amin’ny andron’ny fahatezeran’Andriamanitra. Izany no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra sy lova voatendrin’Andriamanitra ho azy! Dia namaly i Joba hoe: Mihainoa tsara ny teniko ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy. Mandefera amiko ianareo fa mba hiteny kosa aho izao; ary rehefa tapitra ny teniko dia mahazo mandatsalatsa ihany indray ianareo. Raha ny amiko, moa ny ataon’ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko? Jereo aho dia aoka ho talanjona ianareo ary mitampena vava. Eny, raha mahatsiaro izany aho dia raiki-tahotra sady toran-kovitra ny tenako. Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratra antitra no vao mainka mitombo hery? Ny zanany koa dia mitomoetra tsara eo anatrehany ary ny zafiny dia hitan’ny masony. Ny ankohonany dia miadana, tsy misy mampitahotra, ary ny tsorakazon’Andriamanitra dia tsy mamely azy. Mampiteraka ny ombilahiny ka mahavanona, miteraka ny ombivaviny ka tsy mamotsotra. Mamela ny zanany madinika sy ny ankizilahiny hikorana toy ny ondry aman’osy izy. Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ny feon-tsodina. Mandany ny androny amin’ny fahafinaretana izy; amin’ny indray mipy maso no idinany any amin’ny fitoeran’ny maty. Kanefa anie dia ireo no manao amin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahafantatra ny lalanao. Zinona izay Tsitoha no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay raha mivavaka Aminy? Indro, tsy eo am-pelatanany ny fahafinaretany! Lavitra ahy ny fisainan’ny ratsy fanahy! Impiry moa no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy sy misy ny loza manjo azy ary anomezan’Andriamanitra ny anjarany noho ny fahatezerany? Moa va izy tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ny rivotra sy tahaka ny akofa entin’ny tafio-drivotra? Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny heloky ny rainy! Tsia! Fa ny tenan’ireny ihany no tokony handray ny valiny ary aoka ho fantany izany! Aoka ny masony ihany no hahita ny fahalevonany ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ny Tsitoha. Fa mampaninona azy moa ny amin’ny taranany mandimby azy raha efa voafetra ny isan’ny androny? Moa Andriamanitra va no hampianarina fahalalana, nefa Izy aza no mitsara ny any an-danitra? Maty ny iray raha mbola tao anatin’ny tanjany sady niadana tanteraka tsy nanana ahiahy; feno tavy ny andilany ary vonton-tsoka ny taolany. Ny iray kosa dia maty ao anatin’ny fangidiam-panahy ka tsy mba nanandrana soa akory. Samy mandry ao amin’ny vovoka izy roa tonta ka rakotry ny olitra ny tenany. Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy; fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ny andriana? Ary aiza ny tranolay fitoeran’ny ratsy fanahy? Kanefa tsy mba nanontany ny mpandalo va ianareo? Ary tsy mba noheverinareo va ny zavatra ambarany? Amin’ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy ary amin’ny andron’ny fahatezerana dia mahita fialofana izy. Iza no hanambara mifanatrika aminy ny lalany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no hamaly azy amin’izany? Entina ho eny an-tany fandevenana izy ka misy miambina eo amin’ny fasana; mamy aminy ny bainga any an-dohasaha; ny olona rehetra dia manotrona nanaraka azy ary maro tsy hita isa no efa nialoha lalana. Endre! Ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary izay sisa amin’ny teny avalinareo dia lainga ihany! Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita hoe: Mahasoa an’Andriamanitra va ny olona, nefa ny olon-kendry aza dia tsy mahasoa afa-tsy ny tenany ihany? Mampaninona ny Tsitoha moa raha marina ianao sa misy tombony ho Azy raha ataonao tsy misy diso ny alehanao? Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao sy ifanatrehany aminao amin’ny fitsarana? Tsy be va ny faharatsianao sady tsy hita isa ny helokao? Fa efa naka antoka tsy amin’antony tamin’ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ny mahantra. Tsy nanome rano hosotroin’ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ny noana. Fa ny olona be sandry ihany no nanana ny tany; ary ny manankaja ihany no nitoetra teo. Efa nampialainao maina ny mpitondratena ary notapahina ny sandrin’ny kamboty. Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao ary misy zava-mahatahotra mampihorohoro anao tampoka. Moa tsy hitanao va ny haizina sy ny rano mandriaka mandifotra anao? Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny haavon’ny kintana, endre ny haavony! Nefa hoy ianao: Ataon’Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara any ankoatra ny rahona maizina va Izy? Manakona Azy ny rahona matevina ka tsy mahita Izy; mandehandeha eny amin’ny lanitra Izy. Moa hizotra amin’ny lalana izay nalehan’ny olona fahagola va ianao, dia ilay nalehan’ny olona ratsy fanahy? Nesorina alohan’ny androny izy ireny ka nindaosin’ny riaka ny fanorenany, dia ireo izay niteny tamin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ny Tsitoha atao ho anay? Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony. Lavitra ahy ny fisainan’ny ratsy fanahy! Mahita ny marina ka mifaly ary ny tsy manan-tsiny dia mihomehy ireny hoe: Marina tokoa fa rava ny fahavalontsika ary ny harenany betsaka dia levon’ny afo. Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana; izany no hahatafaverina ny fahasambarana aminao. Miangavy anao aho, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. Raha miverina amin’ny Tsitoha ianao dia ho tafaorina indray; eny, raha ampanalavirinao ny tranolainao ny heloka. Ario eny amin’ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira; fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao; ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. Fa amin’izany dia hiravoravo amin’ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’Andriamanitra. Raha mifona Aminy ianao dia hihaino anao Izy ary hanefa ny voadinao ianao. Ary raha misy kasainao hatao dia hotanterahina aminao ary hamirapiratra amin’ny lalanao ny mazava. Raha misy mietry dia hataonao hoe: Misandrata! Fa ny manetry tena no hovonjeny. Hanafaka na dia ny olona meloka aza Izy; eny, ny fahadiovan’ny tananao no hamonjena azy. Dia namaly i Joba hoe: Izao dia mbola fikomiana ihany ny fitarainako; ny tanako dia manampina ny fisentoako. Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ny fitoerany aza! Dia ho nandahatra ny teniko eo anatrehany aho ka nofenoiko ny teny alahatro ny vavako; ary nahalala izay teny havaliny ahy aho sy namantatra izay holazainy amiko. Amin-kery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy. Fa amin’izany dia olona marina no hifandahatra Aminy ka hanan-drariny mandrakizay amin’ny Mpitsara ahy aho. Nefa raha miantsinanana aho, tsy any Izy; ary raha miankandrefana aho, tsy hitako Izy; mianavaratra any amin’izay iasany aho nefa tsy tazako Izy; mivily any atsimo Izy nefa tsy hitako. Mahalala ny lalana falehako anefa Izy; raha hozahany toetra aho dia hivoaka tahaka ny volamena. Ny tongotro dia nifikitra tamin’ny lalany; eny, ny lalany no nizorako tsara ka tsy nivily aho. Ny didin’ny molony dia tsy mba nialako; ny tenin’ny vavany dia notandremako mihoatra noho ny faniriako. Nefa tsy miova saina Izy, koa iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona zavatra iriny dia ataony. Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy ary zavatra maro toy izany no ao Aminy. Koa izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; raha misaintsaina izany aho dia matahotra Azy. Fa Andriamanitra no mandemy ny foko ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy. Tsy ny fahamaizinana anefa no hampangina ahy na ny haizim-pito izay manarona ny tavako. Nahoana no tsy misy fotoanandro voatendrin’ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ny mahalala Azy izany androny izany? Misy mamindra ny fanamarihana ny sisintanin’olona sy mangalatra omby aman’ondry sady miandry azy. Mandroaka ny borikin’ny kamboty izy ireny ary maka ny ombin’ny mpitondratena ho antoka. Manosika ny mahantra hiala amin’ny lalana izy ka miery azy avokoa ny ory amin’ny tany. Indro, tahaka ny fivoakan’ny borikidia any an-tany efitra no fiaingan’ny mahantra amin’ny masoandro miposaka ho amin’ny asany mba hiremby; ny tany ngazana no ahazoany hanina ho an’ny zanany. Any an-tsaha izy ireny no maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy. Mandry mitanjaka amin’ny alina izy satria tsy manan-damba sady tsy manana firakotra ho amin’ny hatsiaka; kotsan’ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy ka mitampisaka amin’ny vatolampy satria tsy manam-pialofana. Sarihina eo am-pinonoana ny kamboty ary akana antoka ny ory. Mandeha mitanjaka izy ireny fa tsy manan-kitafy ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary; manamboatra diloilo any amin’ny sahan’ny hafa izy; manosihosy ny famiazam-boaloboka izy nefa mangetaheta ihany. Mitrona ny miala aina ao an-tanàna ary mitaraina ny fanahin’ny voalefona; nefa tsy ahoan’Andriamanitra akory ny ratsy mitranga! Ireny no mpikomy amin’ny mazava; tsy mba mihevitra ny lalany izy na mitoetra eo amin’ny alehany. Raha vao mangiran-dratsy dia mifoha ny mpamono olona; mamono ny ory sy ny malahelo izy; nony alina izy dia tahaka ny mpangalatra. Ny mason’ny mpijangajanga dia miandry ny maizimaizina ka hoy izy: Tsy misy hahita ahy, dia manisy sarona ny tavany izy. Misy mamaky trano nony maizina; nefa nony antoandro dia miery izy; tsy mahalala ny mazava izy. Amin’izy rehetra dia aloky ny fahafatesana ny maraina satria hitany ao ny fampahatahoran’ny aloky ny fahafatesana. Mitsinkafona paohin’ny rano izy; voaozona ny fonenany eo amin’ny tany; tsy mivily ho amin’ny lalana mankeny amin’ny tanim-boaloboka izy. Toy ny andevonan’ny andro maina sy ny andro mafana ny rano avy amin’ny orampanala no andevonan’ny fitoeran’ny maty ny mpanota. Manadino azy ny kibo nitondra azy; manjary hanim-py ho an’ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony! Tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy, dia ilay mikarakara ny momba izay tsy niteraka nefa tsy mba manisy soa ny mpitondratena. Kanefa halavain’Andriamanitra amin’ny heriny ny andron’ny olo-mahery; mitsangana indray ireo na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza. Ataony mandry fehizay sy tsara tohana izy sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany. Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy eo intsony; midaboka toy ny amboara jinjaina rehetra izy ary tangosana tahaka ny salohim-bary. Raha tsy izany dia iza no hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona? Dia nandray fitenenana i Bildada sohita hoe: Fahefana sy fampahatahorana no ao Aminy; manao fihavanana any amin’ny avo Izy. Azo isaina va ny miaramilany? Ary iza no tsy iantefan’ny fahazavany? Ahoana no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ary ahoana no hampadio izay tera-behivavy? Indro, ny volana aza dia tsy mangarangarana ary ny kintana aza dia tsy madio eo imasony; koa mainka fa ny olombelona izay kankana ary ny zanak’olombelona izay olitra fotsiny! Dia namaly i Joba hoe: Endre! Izato fanohananao ny tsy manan-kery sy izato fampatanjahanao ny sandry malemy! Mahay manolotsaina ny tsy hendry ianao ary mampahafantatra fahendrena betsaka! Iza anefa no andaharanao teny? Ary avy amin’iza ny fanahiny izay mivoaka avy aminao? Ny matoatoa dia mitaintaina any ambanin’ny rano sy izay monina any. Ny fitoeran’ny maty dia mihanjahanja eo anatrehany ary tsy misy rakotra tamin’ny fandringanana. Mamelatra ny lanitra avaratra eny ambonin’ny habakabaka Izy ary manantona ny tany eo amin’ny tsy misy na inona na inona. Fonosiny ao anatin’ireo rahony matevina ny rano nefa ny fanambanin’ny rahona dia tsy mety triatra. Manakona ny sezafiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ny amelarany ny rahony hanarona azy. Asiany faritra boribory eny ambonin’ny rano, eo amin’izay ihaonan’ny mazava sy ny maizina. Ny andry iorenan’ny lanitra dia mihozongozona sady ankona noho ny teny mafy ataony. Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina ary ny fahendreny no anorotoroany an’i Rahaba; ny fofonainy no mampadio ny lanitra ho mamirapiratra; ny tanany no nitomboka ny menarana mandositra. Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany, ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany? Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany i Joba hoe: Raha velona koa Andriamanitra izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny sy ny Tsitoha izay efa nampangidy ny aiko, fa mbola ato amiko ihany ny aiko ary mbola eo am-bavoroko ny fofonaina avy amin’Andriamanitra, dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro ary tsy hanonom-pitaka ny lelako. Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho. Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; ny foko dia tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza. Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko ary olon-tsy marina izay mitsangana manohitra ahy! Fa inona no tombony antenain’ny mpihatsaravelatsihy rehefa tsoahan’Andriamanitra ny ainy? Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra raha ozoim-pahoriana izy? Hahita haravoravoana amin’ny Tsitoha va izy? Hahazo miantso an’Andriamanitra mandrakariva va izy? Hampianatra anareo ny amin’ny tanan’Andriamanitra aho ary tsy hanafenako anareo ny hevitry ny Tsitoha. Indreo ianareo rehetra dia samy efa nahita izany; koa nahoana ianareo no mandany andro amin’ny hevi-poana? Izao no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra sy lovan’ny mpampihorohoro raisiny avy amin’ny Tsitoha: Na dia mihamaro aza ny zanany dia ho an’ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany dia tsy ho voky hanina; ny ankohonany sisa dia hasitrik’i Rafahafatesana ary tsy hisaona azy ny mpitondratena navelany; na dia mahary volafotsy ohatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana ohatra ny tanimanga; eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy. Manao ny tranony tahaka ny an’ny lolofotsy izy ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ny mpiandry voly; Ao ihany ny harenany rehetra raha vao mandry izy, nefa nony ahirany ny masony dia tsy ao intsony ireny. Mahatratra azy tahaka ny riaka ny fampahatahorana; nony alina dia paohin’ny tafio-drivotra izy; Manainga azy sy mahalasa azy ny rivotra avy any atsinanana ka mipaoka azy hiala amin’ny fitoerany; asian’ny olona ny tsipìka izy ka tsy iantrany, dia voatery mandositra ho afaka amin’ny tanany izy. Tehafin’ny olona tanana izy sady isiafany ka ampialainy amin’ny fonenany. Fa misy tany fihadiana volafotsy ary misy toerana fandiovana volamena. Ny vy dia alaina avy amin’ny vovoka ary ny varahina dia arendrika avy amin’ny vato. Ny mpihady vola dia mampisava ny maizina ka mikaroka hatrany amin’ny faran’ny lalina any ny vato any anatin’ny haizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana; mihady lavaka lavitry ny fonenan’ny olona izy; mievingevina ny tongony, mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona any. Ny tany no iavian’ny hanina, nefa any anatiny ambany any izy dia avadika toy ny amin’ny afo. Toeran’ny safira ny vatony ary misy vovo-bolamena ao aminy. Tsy fantatry ny vorona mpihaza ny lalana mankany ary tsy hitan’ny mason’ny voromahery; tsy nodiavin’ny mpiremby ary tsy mba nalehan’ny liona masiaka. Manatsotra ny tanany amin’ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ny fotony; ny vatolampy dia tatahany hatao lalan-drano ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ny masony avokoa. Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete ary izay zavamiafina dia avoakany ho amin’ny mazava. Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? Ary aiza ny fitoeran’ny fahalalana? Tsy misy zanak’olombelona mahalala ny vidiny ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izy. Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy. Ary hoy ny ranomasina: Tsy ato amiko izy. Tsy azo atakalo volamena tsara izy ary ny volafotsy dia tsy azo lanjaina ho vidiny; ny volamena avy any Ofira dia tsy ampy ho tombany, na ny berila sarobidy na ny safira aza. Ny volamena sy ny fitaratra dia tsy azo ampitahaina aminy ary tsy azo atakalo firavaka volamena tsy miharo izy. Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato kristaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy. Ny topaza avy any Kosy dia tsy azo ampitahaina aminy ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara. Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza ny fitoeran’ny fahalalana? Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany ary takona amin’ny voromanidina. Hoy ny Fandringanana sy Rafahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesanay ny filazana azy. Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy ary Izy no mahafantatra ny itoerany; fa Izy no mitsinjo hatrany amin’ny faran’ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ny lanitra rehetra izao ka manendry ny lanjan’ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ny famarana. Tamin’ny nanaovany lalàna ho an’ny ranonorana sy lalana halehan’ny tselatry ny kotrokorana dia nahita azy Izy ka nanambara azy; eny, nametraka ny fanorenany Izy sady namantatra azy. Dia hoy Izy tamin’ny olombelona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana. Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany i Joba hoe: E! Raha izao moa aho no tahaka ny tamin’ireny volana lasa ireny! Dia tahaka ny tamin’ny andro niarovan’Andriamanitra ahy! Fony mbola nazava teo ambonin’ny lohako ny jirony ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ny maizina! Eny, tahaka ny toetrako fony mbola fararanoko, raha niseho teo ambonin’ny tranolaiko ny fisakaizan’Andriamanitra; fony mbola nomba ahy ny Tsitoha ary nanodidina ahy ny zanako; fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ny rononomandry aho ary namoaka reniranon’ny diloilo ho ahy ny vatolampy! Raha niainga niakatra ho eo amin’ny vavahadin’ny tanàna aho ka nametraka ny akalako teo an-kianja dia nahita ahy ny zatovo ka niafinafina ary nitsangana ny fotsy volo dia naharitra nijoro; nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava; tsy sahy niteny ny mpanapaka ary ny lelany dia niraikitra tamin’ny lanilaniny. Izay sofina nandre dia niteny ahy hoe sambatra ary izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy. Ny fisaoran’izay efa ho faty dia tonga tamiko ary ny fon’ny mpitondratena dia nampifaliko. Nitafy fahamarinana aho ka mba nitafy ahy kosa izy. Eny, tahaka ny akanjobe sy fehiloha ny rariny izay nananako. Tamin’izay aho dia maso ho an’ny jamba ary tongotra ho an’ny mandringa; ray ho an’ny malahelo aho ary ny adin’ny olona tsy fantatro aza dia nohadihadiako. Namotika ny nifin’ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany. Dia hoy aho: Eo amin’ny akaniko ihany no hialako aina ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho. Hamahatra eo amin’ny rano aho ary ny ando dia hitoetra amin’ny sampako mandritra ny alina. Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro ary ny tsipìkako dia hihahenjana eny an-tanako. Nihaino ahy ny olona dia niandry ka nangina tamin’ny fanolorako saina izy. Rehefa niteny aho dia tsy mba namaly intsony izy ary nitetevan’ny teniko izy. Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny faraorana. Raha nitsiky taminy aho dia tsy sahy nino izy ary tsy nisy navelany ho very ny hazavana tamin’ny tarehiko. Nifidy ny lalana halehany aho ka nipetraka ho mpitarika azy; eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho. Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay mbola zandriko aza, dia ny zanak’ireo izay nolaviko tsy ho isan’ny amboa miandry ny ondriko akory. Koa hataoko inona moa ny herin-tsandrin’ireo? Efa very ny fahatanjahany. Kaozatra noho ny tsy fisian-kanina sy ny mosary izy ireo; homankomana foana any an-tany karankaina ao amin’ny haizin’ny loza sy ny faharinganana. Mitsongo anana dia eny amin’ny kirihitrala ireny ary ny fototry ny anjavidy no sakafony. Roahina tsy ho eo amin’ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra, koa eny an-davaka amin’ny moron’ny lohasahan-driaka no itoerany, dia any an-dava-tany sy any an-dava-bato. Minananana eny amin’ny kirihitrala izy ary mitangorona eny ambanin’ny amiana. Olom-poana izy ireny sady olona tsy manana anarana akory ka roahina tsy ho eo amin’ny tany. Ankehitriny anefa dia ataony an-kira aho. Eny, ataony ambentinteniny aho. Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny ary tsy misalasala ny handrora ny tavako izy. Koa satria noketrahin’Andriamanitra ny kofehin’ny tsipìkako ka nampietreny aho dia tsy nisy fetrany intsony ny famelezan’ireo ahy. Mitangorona eo ankavanako izy ireo ka manosika ny tongotro hibolisatra ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko; mandrava ny lalako izy ary mitady lalana hanapotehana ahy na dia tsy misy manampy azy aza; toy ny fiditra eo amin’ny banga lehibe no fiaviny ka avy ao amin’ny voarava izy no miriotra. Nitodika hamely ahy ny fampitahorana; nopaohin’ny rivotra ny voninahitro ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy. Ary ankehitriny, miraraka ny aiko ato anatiko, azon’ny andro fahoriana aho. Amin’ny alina dia samatsamahiny hiala amiko ny taolako ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo. Noho ny hery amelezany ahy dia simba ny akanjoko, manendaka ahy amin’ny vozon-dobaka Izy. Nanipy ahy teo amin’ny fotaka Izy ka tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho. Mitaraina Aminao aho nefa tsy mihaino ahy Ianao; mijoro eo aho nefa jerenao foana. Tonga lozabe amiko Ianao; ny herin’ny tananao no andrafianao ahy. Aingainao ho eny amin’ny rivotra aho ka ampitaingeninao azy ary levoninao ao anatin’ny tafio-drivotra mifofofofo aho. Fantatro fa hampodinao any amin’ny fahafatesana aho, dia any amin’ny trano ifamotoanan’ny olombelona rehetra. Kanefa tsy manainga ny tanany va ny olona raha ianjeran’ny rava? Ary tsy mitaraina va izy raha tratry ny loza? Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny mahantra va ny fanahiko? Nanantena fahasambarana aho, kanjo ny ratsy no tonga; niandry ny mazava aho, kanjo ny maizina no tonga. Tsy mitsahatra mandevilevy ny tsinaiko. Nitsena ahy ny andro fahoriana. Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; mitsangana eo am-pivorian’ny olona aho ka mitaraina. Tonga rahalahin’ny amboadia aho ary naman’ny aotirisy. Mivalomainty ny hoditro sady miendakendaka ary karankaina noho ny hafanana ny taolako. Nanjary fisaonana ny lokangako ary feon’ny mitomany ny sodiko. Efa nampanekeko ny masoko, koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? Fa raha izany dia inona no anjara avy amin’Andriamanitra any ambony, sy lova avy amin’ny Tsitoha any amin’ny avo? Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy loza va no mahazo ny mpanao ratsy? Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? Moa va nandeha tamin’ny fitaka aho na niezaka tamin’ny hafetsena? Enga anie ka holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana tsy mandainga aho dia ho fantany ny tsy fananako tsiny! Raha toa ka nivily niala tamin’ny lalana ny diako na nanaraka ny masoko ny foko na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako dia aoka hamafy aho fa olon-kafa no hihinana ary aoka hofongotra izay namboleko! Raha toa ka adala tamin’ny vadin’olona ny foko ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho dia aoka kosa ny vadiko hanodina fikosoham-bary ho an’ny sasany ary aoka ho olon-kafa no handry aminy! Fa fahavetavetana izany; eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara; fa afo mandevona hatrany amin’ny tanin’ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra. Raha toa ka nandà ny rariny izay an’ny mpanompolahiko na ny mpanompovaviko aho, raha nifamaly tamiko izy, dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy raha handinika ny raharaha Izy? Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy ireny koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka? Raha toa ka nandà izay nirin’ny mahantra aho ka namela ny mason’ny mpitondratena hijery foana na nihinana ny sombin-kaniko irery ka tsy mba nanome izay anjaran’ny kamboty, nefa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho no nitaiza azy ireny toy ny ray, ary vao nivoaka ny kibon’ny reniko aho no efa nitari-dalana ny mpitondratena; fa raha toa ka nahita olona efa ho faty noho ny tsy fananana akanjo aho na mahantra tsy manana firakotra, moa tsy ho nisaotra ahy va izy satria nafana ny lamosiny ary nanafana azy ny volon’ondriko? Raha toa ka nanatsotra ny tanako hampahory ny kamboty aho satria hitako fa nisy niandany tamiko teo amin’ny fitsarana dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ny soroko; eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ny taolam-panaviko. Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’Andriamanitra ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany. Raha toa ka nanao ny volamena ho fanantenako aho na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô; raha toa ka nifaly noho ny haben’ny fananako sy noho ny nahazoan’ny tanako harena betsaka aho, raha toa ka nijery ny masoandro raha izy namirapiratra iny aho, na ny volana raha izy nandeha tamin’ny fangarangarany iny, ka voafitaka mangingina ny foko ary nanoroka ny tanako ny vavako, dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra any ambony aho. Raha toa ka nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy aho na nibitabitaka raha nozoim-pahoriana izy, tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako ka hangataka ozona hanjo azy; moa va tsy niteny ny tao an-daiko hoe: Iza moa no olona tsy novokisany hena? Ny vahiny aza dia tsy nandry teny alatrano fa novohako ny varavarako ho an’ny mpandeha. Raha toa ka nanarona ny fahadisoako tahaka an’i Adama aho ka nanafina ny heloko tato am-paosiko satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka marobe ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ny mpiaramonina ka namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana. Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ilay manana ady amiko! Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary havonako amiko ho satroboninahitra. Ny isan’ny diako dia hambarako Aminy ary tahaka ny fanatonan’ny zanak’andriana no hanatonako Azy. Raha toa ka mitaraina hiampanga ahy ny taniko ka miara-mitomany ny vavaasako, raha toa ka nihinana ny vokatra aho nefa tsy nandoa ny vidiny, na nanao izay hahafaty ny ain’ny tompony, dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny varimbazaha ary ny ahi-dratsy hisolo ny orza! Tapitra ny tenin’i Joba. Nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy satria nihevitra ny tenany ho marina i Joba. Nirehitra kosa ny fahatezeran’i Eliho, zanak’i Barakela bozita, avy amin’ny fianakavian’i Rama. Eny, tamin’i Joba no nirehetan’ny fahatezerany satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy. Ary tamin’ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ny fahatezerany satria tsy nahita teny havaly izy ireo, kanefa nanameloka an’i Joba. Ary i Eliho dia tsy mbola niteny tamin’i Joba fa niandry satria ireo telo lahy dia be taona noho izy. Rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy dia nirehitra ny fahatezerany. Koa niteny i Eliho, zanak’i Barakela bozita hoe: Mbola tanora aho fa ianareo kosa dia fotsy volo; koa natahotra aho fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro. Hoy aho hoe: Aoka ny fahanterana no hiteny ary aoka ny hamaroan’ny taona no hampianatra fahendrena. Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona sy ny fofonain’ny Tsitoha no mahahendry azy. Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny. Noho izany dia hoy aho hoe: Aoka samy hihaino ahy! Izaho koa dia mba hanambara izay fantatro. Indro, niandry ny teninareo aho ary nanongilan-tsofina tamin’ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina. Eny, tena nihaino anareo aho, nefa e! Tsy nisy naharesy lahatra an’i Joba ianareo na nahavaly ny teniny akory. Koa aoka ianareo tsy hiteny hoe: Hitanay ny fahendrena; Andriamanitra no maharesy azy fa tsy olona! Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy. Very hevitra terỳ izy ireo ka tsy namaly intsony; efa nanalavitra azy ny teny. Hangina va aho raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony? Anjarako kosa izao ka hamaly aho; eny, izaho no hanambara izay fantatro! Fa feno teny ny foko; manery ahy ny fanahy ato anatiko. Endre! Ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misokatra, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy. Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; hiloa-bava aho ka hamaly. Tsy hizaha tavan’olona akory aho ary tsy handrobo olona. Fa tsy mba mahay mandrobo aho; raha izany dia halain’ny Mpanao ahy faingana aho! Kanefa, miangavy anao aho, ry Joba, mihainoa izay alahatro ary atongilano ny sofinao amin’ny teniko rehetra! Indro, manoka-bava aho, miteny ato am-bavako ny lelako. Ny hitsim-poko no hiseho amin’ny teniko ary ny fahalalan’ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. Ny Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy. Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao ka miatreha tsara. Indro, eo anatrehan’Andriamanitra aho dia mitovy aminao; eny, izaho koa dia mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga. Indro, ny fampahatahorana avy amiko dia tsy hampahatahotra anao ary tsy hitambesatra aminao ny tanako. Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao ary efa reko ihany ny feon’ny teninao hoe: Madio tsy manam-pahadisoana aho ary tsy manan-tsiny aman-keloka. E! Mahita izay hanatsiniana ahy foana Andriamanitra ary ataony fahavalony aho; mampiditra ny tongotro ao amin’ny boloky hazo Izy ary mitsongo ny diako rehetra. E! Izany no tsy mahamarina anao, hoy aho; fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony? Kanefa misy fomba iray itenenan’Andriamanitra; eny, fomba roa aza, nefa tsy tandrin’ny olona izany, dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ny alina. Raha sondrian-tory iny ny olona ka renoka eo am-pandriana dia manokatra ny sofin’ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy mba hampiala ny olona amin’ny fanaony sy hiaro azy amin’ny fireharehana. Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy ary ny ainy mba tsy ho voan’ny fiadiana atoraka. Anarina amin’ny fanaintainana eo am-pandrianany koa izy sy amin’ny fikotrankotran’ny taolany lalandava; mankaloiloy azy ny hanina; eny, na ny hanim-py aza dia tsy tiany. Mihena ny nofony ka tsy hita ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo; dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny ary manatona ny mpaka aina ny ainy. Raha misy anjely ho mpanalalana ho azy, iray amin’ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ny olona, ary hamindra fo aminy ka niteny hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra aho, dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony ary hody ho toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany izy; hivavaka amin’Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny tavany amin’ny hafaliana, fa hampodiny amin’ny zanak’olombelona ny fahamarinany. Dia hihira izy ka hilaza amin’ny olona hoe: Efa nanota aho fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko; fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka ary mifaly ny aiko amin’ny fahitana ny mazava. Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa amin’ny olona; eny, intelo aza, mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka mba hihazavany amin’ny fahazavan’ny velona. Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy! Mangìna kely aloha ianao fa mbola hiteny aho! Raha manan-kavaly ianao dia mamalia ahy ihany! Mitenena, fa ta hanamarina anao aho! Fa raha tsy manan-kavaly ianao dia mihainoa ahy kosa! Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao! Ary mbola niteny ihany i Eliho hoe: Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry, ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. Fa ny sofina no mamantatra teny ary ny vava no manandrana hanina. Koa aoka izay rariny no hodinihintsika ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika. Fa i Joba dia efa niteny hoe: Marina aho, saingy nesorin’Andriamanitra tamiko ny rariny; marina ny ahy nefa ampandaingainy aho; mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho. Aiza no misy lehilahy tahaka an’i Joba izay misotro famingavingana toy ny rano ary tonga naman’ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ny ratsy fanahy? Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’Andriamanitra. Koa amin’izany, mihainoa ahy, ianareo manam-panahy! Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy ka mamaly ny tsirairay araka ny lalany avy Izy. Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny. Iza moa no nanendry Azy ho Mpiandraikitra ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao? Raha toa ka ny tenany ihany no heveriny ka hangoniny ho any Aminy ny fanahiny sy ny fofonainy, dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra ary hiverina amin’ny vovoka ny olona. Raha manam-pahalalana ianao dia henoy izao ka atongilano amin’ny teniko ny sofinao! Moa mahay mitondra va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao? Mety va ny miteny amin’ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao? Ary amin’ny zanak’andriana hoe: Ry ilay ratsy? Tsy mizaha ny tavan’ny lehibe Izy ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany satria samy asan’ny tanany avokoa izy rehetra. Maty amin’ny indray mipy maso monja amin’ny mamatonalina ireny; mihetsiketsika ny vahoaka dia ringana izy ary ny mahery dia lasa tsy nesorin-tanan’olona. Fa ny mason’Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona ary mahita ny diany rehetra Izy. Tsy misy haizina na aloky ny fahafatesana izay ahazoan’ny mpanao ratsy miery. Fa Andriamanitra tsy miandry ela vao mandinika ny olona izay tonga hotsaraina eo anatrehany. Manorotoro ny olona mahery Izy na dia tsy manadina azy aza ka manangana olon-kafa hisolo azy. Fa fantany ny asan’ireo ka manongana azy amin’ny alina Izy dia torotoro ireo. Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ny ratsy fanahy ireo eo imason’ny vahoaka. Izany dia noho ny nialan’ireo tamin’Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory. Noho izany dia tonga eo anatrehany ny fitarainan’ny madinika ka reny ny fitarainan’ny ory. Raha mangina Izy, iza no hahay hanameloka Azy? Raha manafin-tava Izy, iza no hahajery Azy? Nefa Izy dia mijery ny firenena na ny olona tsirairay mba tsy hanjakan’ny ratsy fanahy ary tsy ho voafandrika ny vahoaka. Fa moa va mba efa nisy niteny tamin’Andriamanitra hoe: Efa nivesatra ny fijaliako aho ka tsy hanao ratsy intsony; izay tsy hitako dia mba ampianaro ahy; raha nanao ratsy aho dia tsy hanao intsony? Moa araka ny hevitrao va no hamalian’Andriamanitra ny ataon’ny olona no mandà ny toroheviny ianao? Ianao no mifidy fa tsy izaho! Koa izay fantatrao no ambarao! Ny olona manam-panahy no hilaza amiko ary ny olon-kendry izay mihaino ahy dia hiteny amiko hoe: Miteny tsy amim-pahalalana i Joba ary ny teniny dia tsy amim-pahendrena. Enga anie ka hozahan-toetra mandrakariva i Joba noho ny famaliny araka ny fanaon’ny ratsy fanahy! Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro hoenti-miady amin’Andriamanitra. Ary mbola niteny ihany i Eliho hoe: Ataonao va fa marina ny nitenenanao hoe: Marina noho Andriamanitra aho? Fa hoy ianao: Mampaninona anao moa izany? Inona no soa azoko amin’ny tsy hanotako? Izaho no hiteny hamaly ny teninao mbamin’ny an’ny namanao. Diniho ny lanitra ka jereo! Tsinjovy ny haavon’ny rahona: Tsy takatrao izany! Raha manota ianao, moa mahefa inona Aminy izany? Ary raha mihamaro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany? Raha marina ianao, hahazoany inona moa izany? Ary inona no horaisiny avy amin’ny tananao? Amin’ny olona tahaka anao ihany no mihatra ny ratsy ataonao ary amin’ny olombelona ihany no mihatra ny fahamarinanao. Noho ny haben’ny fampahoriana dia mitaraina ny olona; eny, minananana izy noho ny hetraketraka ataon’ny maro; nefa tsy misy miteny hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, izay mahatonga hira fiderana amin’ny alina, izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany, dia izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voromanidina? Eny, mitaraina mafy ireo nefa tsy mamaly Izy noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy. Ny fitarainana tsy amin’antony dia tsy mba henoin’Andriamanitra ary ny Tsitoha dia tsy mandinika izany. Na dia lazainao aza fa tsy mahita Azy ianao, efa tonga eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao! Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa tsy fantany tsara koa va ny fihaikana? Miloa-bava foana anefa i Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana. Mbola nandroso niteny ihany i Eliho hoe: Mahareta kely amiko dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’Andriamanitra. Halaiko avy lavitra ny fahalalako ka hanamarina ny Mpanao ahy aho. Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; lehilahy tanteraka amin’ny fahalalana no eto aminao! Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga; lehibe amin’ny herin’ny fahalalana Izy. Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy fa manome rariny ho an’ny ory. Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy. Ny amin’ny mpanjaka dia ambonin’ny sezafiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay ka tafasandratra izy. Ary raha voafatotra amin’ny gadra izy ireny sy voafehy amin’ny tadin’ny fahoriana dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany raha manandra-tena izy. Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy ireny hibebaka hiala amin’ny ratsy. Raha mihaino ka manaiky Azy izy dia lany amin’ny fiadanana ny androny ary ny taonany dia amin’ny fahafinaretana. Fa raha tsy mihaino kosa izy dia ho voatifitry ny lefona ka ho faty ao amin’ny tsy fahalalana. Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; tsy mitaraina izy na dia afatony aza; maty tanora izy; eny, afaka aina eo amin’ny mpijangajanga. Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny. Ary ianao koa aza dia sarihiny hiala tao amin’ny fahaterena ho amin’ny malalaka tsy misy manembantsembana ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ny latabatrao. Raha mitsara ny adin’ny ratsy fanahy ianao dia aoka hazonina ny rariny sy ny hitsiny; aoka tsy hampirisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana ary aoka tsy hampivily saina anao ny haben’ny kolikoly! Moa hahafaka anao amin’ny fahoriana va ny fitarainanao, na izay rehetra tratry ny hery sy tanjakao? Aza irinao ny hiavian’ny alina izay ampialana ny olona amin’ny fitoerany. Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy, fa saingy ozoim-pahoriana ianao dia mifidy izany. Indro Andriamanitra dia misandratra amin’ny heriny; iza no mba mpampianatra tahaka Azy? Iza no nandidy Azy tamin’izay lalan-kalehany? Ary iza no afaka hilaza Aminy hoe: Nanao ratsy Ianao? Tsarovy ny hankalaza ny asany izay efa nataon’ny olona an-kira. Mandinika izany ny olona rehetra ary mijery izany eny lavitra eny ny zanak’olombelona. Indro, lehibe Andriamanitra ka tsy takatry ny saintsika Izy; tsy hita isa ny taonany. Fa manintona ny rano Izy dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany ary aidin’ny rahona izany ka alatsany amin’ny olona maro be. Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy? Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ny ranomasina ho firakofany. Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka. Mifono fahazavana ny tanany ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony. Ny fikotrokotrony dia manambara Azy ary ny omby aman’ondry koa aza dia milaza ny hiaviany. Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ny fitoerany. Henoy tsara ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ny vavany! Mandefa izany ho eny ambanin’ny lanitra rehetra Izy ary ny tselatra hatrany amin’ny faran’ny tany. Aorianan’izany dia misy feo mirohondrohona; mampikotrokotroka ny feony mahatalanjona Izy, koa rehefa re ny feony dia tsy sakanany intsony ny tselatra. Mampikotrokotroka ny fahagagana ataony Andriamanitra; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. Ny orampanala dia baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ny tany ianao! Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra; eny, ny ranonorany mivatravatra mafy. Manakombona ny tanan’ny olona rehetra amin’ny tombo-kase Izy, mba hahafantatra ny asany ny olona rehetra izay nataony. Miditra ao amin’ny fiereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany. Avy any atsimo ny tadio ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka. Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ranomandry ka lasa mivaingana ny rano midadasika. Ny rahona matevina dia tambesarany rano ary ny rahona manelatrelatra dia aeliny. Dia mihodinkodina amin’izay itarihany azy ireo mba hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ny tany, manerana izao tontolo izao, na alatsany ho famaizana izany na hanasoa ny taniny na ho famindrampo. Atongilano ny sofinao ka mihainoa, ry Joba! Mijanòna, koa mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra! Fantatrao va ny ibaikoany azy ireny ka ampamirapiratany ny tselatra eny amin’ny rahony? Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina izay fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana? Ianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana raha migaingaina ny andro azon’ny rivotra avy any atsimo, moa va ianao niara-nanefy Taminy ny habakabaka izay mitoetra mafy toy ny fitaratra natao tamin’ny metaly voarendrika? Mba ampianaro anay ary izay holazainay Aminy fa tsy hitanay izay halahatray noho ny haizina. Holazaina Aminy va raha miteny aho? Moa tsy maintsy miteny va ny olona vao ho reny? Tsy hita ankehitriny ny mazava izay notakotakonan’ny rahona; nefa nisy rivotra nandalo dia nampisava azy ihany izany ka misy mazava mitarehim-bolamena tamy avy any avaratra. Ao amin’Andriamanitra dia misy famirapiratana mahatahotra! Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika. Lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana ary ny fahamarinana tanteraka Izy. Tsy mba mampahory olona Izy. Koa izany no hatahoran’ny olona Azy; tsy mijery izay manao azy ho hendry Izy. Avy tao anatin’ny tafio-drivotra NY TOMPO no namaly an’i Joba hoe: Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana? Misikìna ary tahaka ny lehilahy fa hanadina anao Aho ka valio. Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny kofehy fandrefesana teo aminy? Teo ambonin’ny inona no nanorenana ny andriny ary iza no nandatsaka ny vato fehizorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra? Iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny haizim-pito ho fonony, ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana ka niteny hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra azy ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? Hatrizay niainanao, moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fiposaky ny andro mba handraisany ny sisin’ny tany ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? Dia miova tahaka ny tanimanga fanaovana fitombo-kase ny endriny ka miseho tahaka ny lamba misoratra. Hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy ka ho tapaka ny sandry naingaina. Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina? Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana? Moa efa voadinikao ny fivelatry ny tany? Ambarao ary raha fantatrao izany rehetra izany. Aiza ary no lalana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza ny fitoeran’ny maizina mba hitsenanao azy any amin’ny faran’ny alehany satria fantatrao ny lalana ho any an-tranony? Eny, fantatrao mantsy izany satria efa teraka ianao tamin’izay ary maro ny isan’ny andronao! Moa efa niditra tany amin’ny trano fitahirizana ny orampanala va ianao? Ary efa hitanao va ny trano fitahirizana ny havandra izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika? Aiza moa no lalana izarazaran’ny mazava sy ielezan’ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ny tany? Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be sy lalan-kaleha ho an’ny tselatra sy kotrokorana mba hilatsahan’ny ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona, dia any amin’ny tany efitra tsy misy mponina ka hahavonto ny tany ngazana sy ny tany foana ary hampitsimoka ny ahitra sy hampaniry azy? Manana ray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranonando? Kibon’iza moa no niavian’ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy? Tonga mafy toy ny vato ny rano ary mitambatra ny fanambonin’ny lalina. Mahavona ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao na mahavaha ny fatoran’ny Telonohorefy? Mahavoaka ireo vondron-kintana amin’ny fotoanany va ianao? Ary mahatondra an’i Bera mbamin’ny zanany va ianao? Fantatrao va ny lalàna eny amin’ny lanitra? Ary mahafehy ny fanapahan’ireny etỳ an-tany va ianao? Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va ianao mba hanafotra anao ny rano mandriaka? Mahay mandefa ny tselatra va ianao ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena ary irerỳ miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mampitongilana ny fitoeran-dranon’ny lanitra ka mitambatra ho dilatra ny vovoka ary mivongana ho bainga? Mahay mihaza remby ho an’ny liom-bavy va ianao ary mahafaka ny hanoanan’ny liona tanora raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala? Iza moa no manome hanina ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ny osidia any amin’ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ny dieravavy? Mahisa ny volana itondrany vohoka va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? Miondrika izy ka teraka sady afaka ny farariany. Donga ny zanany, mihalehibe eny an-tampon-tanety eny; lasa mandeha izy ka tsy miverina eo aminy intsony. Iza moa no namela ny borikidia hikarenjy? Ary iza no efa namaha ny fatoran’ny borikidia izay nomeko ny tany ngazana ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany? Ihomehezany ny tabataba ao an-tanàna; tsy ahoany akory ny antsoantson’ny mpandroaka boriky. Mikarenjy any an-tendrombohitra rehetra any izy mitady ny kijanany ary mitady ny zava-maitso rehetra izy. Mba mety manompo anao va ny ombimanga, na handry ao am-pahitrao amin’ny alina? Mahafatotra ny ombimanga amin’ny mahazaka ho ao am-bavaasanao va ianao? Na, mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy? Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao? Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy ary hanangona izany ho eo am-pamoloananao? Mikopakopaka noho ny hafaliana ny elatry ny aotirisy, nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony? Ilaozany anaty tany ny atodiny ka avelany hafanain’ny vovoka Tsy ahiny ny ho voaporitry ny tongotra ireo na ho voahitsaky ny bibidia. Mafy ny fitondrany ny zanany fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; tsy ahoany akory na dia mila ho very foana aza izay nisasarany. Fa nesorin’Andriamanitra taminy ny fahendrena ary tsy nomeny anjara fahalalana izy. Raha mikopakopaka elatra toa hanidina izy dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Moa manome hery ny soavaly va ianao na manarona vombo mihofahofa ny vozony? Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ny fiefonefony! Mihehy ao amin’ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; mandroso hanetra ny ady izy. Ihomehezany ny tahotra ary tsy mivadi-po izy sady tsy mianotra manoloana ny sabatra. Mikitrakitrana eny amboniny ny tranon-jana-tsipìka sy ny lefona mitselatselatra ary ny lefom-pohy. Miriotra mafy amin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony rehefa maneno ny anjomara. Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy hoe Hia! Manimbolo ny ady izy raha mbola lavitra, dia ny antsoantson’ny manamboninahitra sy ny akoralava mihantsy ady. Ny fahendrenao va no mampisidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo? Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? Eny amin’ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia any an-tendron’ny harambato izay mandany mafy. Avy any no itiliany ny remby; mahatsinjo lavitra ny masony. Mitsentsitra ra ny zanany ary izay itoeran’ny faty dia any izy. Ary NY TOMPO mbola niteny tamin’i Joba hoe: Hiady amin’ny Tsitoha va io mpanohitra Azy io? Aoka ny mpananatra an’Andriamanitra no hamaly! Ary namaly NY TOMPO i Joba hoe: Indro, tsinontsinona aho, koa inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao. Efa niteny indray mandeha aho ka tsy hamaly intsony; eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho. Dia niteny tamin’i Joba teo amin’ny tafio-drivotra NY TOMPO hoe: Misikìna tahaka ny lehilahy; fa hanadina anao Aho ka hampianatra Ahy ianao. Hanaisotra ny fahamarinana Amiko tokoa va ianao? Hanameloka Ahy va ianao mba hanamarinana ny tenanao kosa? Manan-tsandry tahaka ny an’Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao? Miravaha fahamboniana sy rehareha ianao ary mitafia famirapiratana sy voninahitra! Avelao hihanaka ny fahatezeranao mirehitra; jereo ny mpiavonavona rehetra ka ampietreo! Eny, jereo ny mpiavonavona rehetra ka aongany! Hoseo eo amin’ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy. Asitriho ao amin’ny vovoka avokoa izy rehetra; sarony ao amin’ny maizina ny tavany! Fa Izaho kosa dia hidera anao satria mahavonjy anao ny tananao havanana. Indro ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany! Mihinana ahitra tahaka ny omby izy. Indro, ao amin’ny andilany ny heriny ary ao amin’ny ozatra amin’ny kibony ny tanjany. Henjaniny ho tahaka ny hazo sedera ny rambony, mifaniditriditra ny ozatra amin’ny feny. Ny taolany dia tahaka ny fantsona varahina; eny, tahaka ny anjam-by ny taolany. Voalohany amin’ny asan’Andriamanitra izy; ny Mpanao azy no nanome sabatra azy. Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra izay ilalaovan’ny bibidia rehetra; eo ambanin’ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy honahona. Manalokaloka azy ny hazo lota ary ny hazomalahelo eny amoron’ny ony no manodidina azy. Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; matoky izy na dia migorodana amin’ny vavany aza ny Jordana. Moa misy mahasambotra azy va raha mihiratra ny masony? Raha azon’ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va? Mahasarika an’i leviatana amin’ny fintana va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ny mahazaka? Mahisy tady zozoro amin’ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ny farango? Hifona injato aman’arivo aminao va izy na hanao teny malefaka aminao? Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy? Hilalao azy tahaka ny filalao voronkely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ny zazavavy kely ao aminao va ianao? Hataon’ny mpaka hazandrano varotra va izy ka hotsinjarainy amin’ny mpivaro-mandeha? Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao na firombaka amin’ny lohany? Atehefo aminy ange ny tananao: Raha tsaroanao ny ady dia tsy hanindroa intsony ianao! Indro, iza no sahisahy foana ka hikitika azy? Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza? Tsy misy sahy manao vy very ny ainy hanaitra azy; koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako? Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa. Tsy mbola hangina Aho ny amin’ny rantsambatany sy ny heriny ary ny firafitry ny vatany. Iza no mahasonga ny fitafiany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ny nifiny roa sosona? Iza no mahasokatra ny varavaran’ny tavany? Mahatsiravina ny manodidina ny nifiny! Reharehany ny faraoraon’ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ny tombo-kase ireo; mikirindro ireo ka tsy azon’ny rivotra idirana eo anelanelany. Mifanindry lany ireo sady mifampiditra ka tsy azo sarahina. Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ny maraina. Lelafo no mivoaka avy amin’ny vavany; kilalaon’afo no mipariaka avy aminy. Ny vavorony dia ivoahan’ny setroka, tahaka ny avy amin’ny vilany mangotraka na amin’ny fahandroana. Ny fofonainy dia mampirehitra arina ary misy lelafo mivoaka avy amin’ny vavany. Ny vozony no itoeran’ny hery ary mibitaka eo anoloany ny fampahatahorana. Mivalombalona ny hotraka amin’ny tenany; mafy ireny ka tsy azo endahina. Mafy tahaka ny vato ny fony; eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary. Raha mitsangana izy dia raiki-tahotra ny mahery; eny, toran-kovitra ireo ka mihemotra. Raha misy mamely azy amin’ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ny lefom-pohy na ny firombaka na ny zana-tsipìka. Ataony toy ny mololo ny vy ary toy ny hazo momoka ny varahina. Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; ataony ho toy ny vodivary ny vaton’antsamotady. Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; ihomehezany ny fisidin’ny lefona. Ny takibany dia tahaka ny vakim-bilany maranitra; toy ny mitarika ragiragy eo amin’ny fotaka izy. Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy. Mampahazava ny lalany eo aorianany izy ka lasa toy ny volo fotsy ny lalina. Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra. Ny avo rehetra dia jereny avokoa; mpanjakan’ny bibidia rehetra izy. Ary namaly NY TOMPO i Joba hoe: Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra ary tsy azo ferana ny fisainanao. Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ny tsy fahalalana? Koa nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; hanontany Anao aho ka ampianaro. Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; koa miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho. Rehefa voalazan’NY TOMPO tamin’i Joba izany teny izany dia hoy koa Izy tamin’i Elifaza temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filazan’i Joba mpanompoko ny filazanareo Ahy. Koa ankehitriny, makà vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ary mankanesa any amin’i Joba mpanompoko ka manolora fanatitra dorana manontolo ho anareo. Ary i Joba mpanompoko no hifona ho anareo fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filazan’i Joba mpanompoko ny filazanareo Ahy. Dia nandeha i Elifaza temanita sy i Bildada sohita ary i Zofara namatita ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy; ary NY TOMPO nankasitraka an’i Joba. Ary NY TOMPO nampody ny fiadanan’i Joba ho toy ny teo aloha rehefa nivavaka ho an’ny sakaizany izy, koa nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy. Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay nahatran’NY TOMPO taminy; ary samy nanome azy kesita iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra. Ary NY TOMPO nitahy ireo taona farany niainan’i Joba mihoatra noho ireo taona voalohany ka nanana ondry aman’osy efatra arivo sy iray alina, rameva enina arivo, omby roa arivo ary borikivavy arivo izy. Ary nanan-janakalahy fito sy vavy telo koa izy, koa ny anaran’ny zokiny dia nataony hoe Jemima, ny anaran’ny faharoa dia Kezia ary ny anaran’ny faravavy dia Kerena-Hapoka. Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’i Joba hita tany amin’ny tany rehetra; niara-nomen’ny rainy lova tamin’ny anadahiny izy. Ary mbola velona efapolo amby zato taona i Joba taorianan’izany ka nahita ny zanany lahy sy ny zafiny ka hatramin’ny zafindohaliny aza. Dia maty i Joba rehefa tratra antitra sady ela niainana. Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny fisainan’ny ratsy fanahy sady tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira, fa ny lalànan’NY TOMPO no sitrany; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina. Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izay mamoa amin’ny fotoanany izy; tsy mba malazo ny raviny ary ataony lavorary avokoa ny asany rehetra. Tsy mba toy izany kosa ny ratsy fanahy, fa toy ny akofa aelin’ny rivotra izy. Noho izany, tsy hahajanona eo amin’ny fitsarana ny ratsy fanahy, na eo amin’ny fiangonan’ny marina ny mpanota. Fa fantatry NY TOMPO ny lalan’ny marina; mankany amin’ny fahaverezana kosa ny lalan’ny ratsy fanahy. Nahoana no mitabataba ny Jentilisa? Nahoana no mimenomenom-poana ny firenena? Mitsangana ireo mpanjakan’ny tany, ary miara-mioko ny mpanapaka mba hanohitra NY TOMPO sy ny Mesiany ka miteny hoe: Aoka hotapahintsika ny gadrany ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany. Mihomehy izay mipetraka any an-danitra. Maneso azy ireo ny Tompo. Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe: Izaho anefa no nanendry ny Mpanjakako teo ambonin’i Ziona, tendrombohitro masina. Hanambara didy navoakan’NY TOMPO Aho; Izy no nilaza Tamiko hoe: Zanako Ianao! Izaho no niteraka Anao androany. Mangataha Amiko dia homeko ho lovanao ny Jentilisa ary ho fanananao ny tany rehetra; hotorotoroinao amin’ny tehim-by izy. Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy. Ary ankehitriny dia aoka ho hendry ianareo ry mpanjaka! Minoa anatra ianareo ry mpitsaran’ny tany! Manompoa NY TOMPO amin’ny fahatahorana ary miravoravoa amin’ny fangovitana. Orohy ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy ka ho levona eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia mirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka Aminy. TOMPO ô, akory izato hamaroan’ny mampahory ahy, maro no mitsangana hanohitra ahy, maro no milaza momba ahy hoe: Tsy misy famonjena ho azy ao amin’Andriamanitra! Kanjo Ianao, TOMPO ô, no ampinga ho ahy; voninahitro Ianao ary mampitraka ny lohako. Miantso NY TOMPO aho ary mamaly ahy avy ao amin’ny an-tendrombohiny masina Izy. Nandry aho ka natory ary nifoha aho satria NY TOMPO no manohana ahy. Tsy hatahotra olona alinalina izay milahatra manodidina hamely ahy aho. Mitsangàna, TOMPO ô! Vonjeo aho, Andriamanitro ô! Mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Ianao, manapotika ny nifin’ny ratsy fanahy Ianao. An’NY TOMPO ny famonjena. Ho amin’ny olonao anie ny fitahianao. Mamalia ahy raha miantso aho, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô! Raha tao an-katerena aho dia nohalalahinao toerana. Mamindrà fo amiko ka henoy ny vavaka ataoko! Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no handotoanareo ny voninahitro? Mandra-pahoviana no ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’NY TOMPO ho Azy ny tsara fanahy; NY TOMPO mihaino rehefa miantso Azy aho. Tezera fa aza manota; mieritrereta eo am-pandriananareo ka aoka hangina. Manolora fanatitra amim-pahamarinana ary matokia NY TOMPO. Maro no miteny hoe: Iza no hampiseho amintsika ny fahasambarana? Asandrato aminay ny fahazavan’ny tavanao, TOMPO ô! Asianao fifaliana ato am-poko, mihoatra noho ny tamin’ny taona nahabetsahan’ny variny sy ny ranom-boalobony izany. Handry amin’ny fiadanana aho ka hatory avy hatrany satria Ianao irery, TOMPO ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy. TOMPO ô, henoy ny teniko, fantaro ny fisentoako! Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô! Fa Aminao no ivavahako. TOMPO ô, amin’ny maraina no andrenesanao ny feoko; amin’ny maraina no manomana ny foko ho Anao aho ary miandry Anao. Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Ianao ary tsy mba hitoetra eo Aminao ny ratsy. Tsy mahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra. Haringanao ny mpiteny lainga. Ataon’NY TOMPO ho zava-betaveta ny olona mpandatsa-dra sy mpamitaka. Fa izaho kosa dia hiditra ao amin’ny tranonao noho ny haben’ny famindramponao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana Anao aho. TOMPO ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho fa misy ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao. Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany. Fandravana no ao anatiny, fasana misokatra ny tendany ary mandambolambo ny fiteniny. Melohy izy, Andriamanitra ô! Aoka ny fikasany ihany no handavo azy! Roahy izy noho ny habetsahan’ny fahotany, satria efa nikomy Taminao. Dia hifaly izay rehetra mialoka Aminao; hihoby mandrakariva izy. Hiaro azy Ianao dia ho ravoravo Aminao ireo izay tia ny anaranao. Fa Ianao TOMPO ô dia mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao toy ny ampinga lehibe manodidina azy. TOMPO ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy! Mamindrà fo amiko, TOMPO ô, fa reraka aho; sitrano aho, TOMPO ô, fa mangozohozo ny taolako. Mangorohoro loatra ny fanahiko; ary Ianao TOMPO ô, mandra-pahoviana? Miverena, TOMPO ô, afaho ny fanahiko, vonjeo aho noho ny famindramponao. Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana; iza no hidera Anao any amin’ny fitoeran’ny maty? Efa sasatry ny misento aho; isaky ny alina dia vonton’ny tomany ny kidoroko sady kotsan-dranomaso ny fandrianako. Lanin’alahelo ny masoko; efa pahina izy noho ny ataon’ny mpampahory ahy rehetra. Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra! Fa NY TOMPO efa nandre ny feon’ny fitomaniako, NY TOMPO efa nandre ny fangatahako; NY TOMPO mandray ny vavaka ataoko. Ho menatra sy hangovitra be ny fahavaloko rehetra; hihemotra izy ka ho menatra tampoka. RY TOMPO Andriamanitro ô, Ianao no ialofako; vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy ka afaho, fandrao viravirainy tahaka ny fanaon’ny liona ny fanahiko ary kepokepohiny ka tsy misy mamonjy! RY TOMPO Andriamanitro ô, raha nanao izany tokoa aho, raha nisy heloka teto an-tanako, raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, na nandroba izay nampahory ahy tsy amin’antony, dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo ka hahatratra ahy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ny tany sady hampandry ny voninahitro amin’ny vovoka. TOMPO ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao. Misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao. Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao ary miverena ho eo amin’ny avo eo amboniny Ianao. NY TOMPO mitsara ny firenena. TOMPO ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny. Mba atsaharo ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy ary ampitoero kosa ny marina, fa Ianao dia Andriamanitra marina mizaha toetra ny fo sy ny voa. Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo. Mpitsara marina Andriamanitra, eny, Andriamanitra izay tezitra isanandro. Raha tsy ibebahana Izy dia handranitra ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manomana azy. Izany no anomanany fiadiana mahafaty; ataony mirehitra ny zana-tsipìkany. Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, mitondra fampahoriana ao an-kibony izy ary miteraka lainga. Mihady lavaka izy ka manalalaka izany ary latsaka ao anatin’ny lavaka nataony ihany izy. Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriana ataony ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ny loza nataony. Hidera NY TOMPO araka ny fahamarinany aho ary hankalaza ny anaran’NY TOMPO Avo Indrindra. RY TOMPO Andriamanitray ô, endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Nataonao eny amin’ny lanitra ny famirapiratan’ny voninahitrao. Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy. Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy? Fa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana. Nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy, nataonao eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra, dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra ary ny bibidia koa, ny voromanidina sy ny hazandrano any an-dranomasina izay mandeha amin’ny lalan-dranomasina. RY TOMPO Andriamanitray ô, endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho; hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho. Ho faly sy ho ravoravo Aminao aho; hankalaza ny anaranao aho, ry Avo Indrindra! Rehefa lasa nihemotra ny fahavaloko dia nirepirepy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. Fa nitsara ahy Ianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ny sezafiandriananao Ianao ary mitsara marina. Nanarinao mafy ny Jentilisa. Naringanao ny ratsy fanahy, nokosehinao ho faty mandrakizay doria ny anarany. Levona ny fahavalo! Mandrakizay ny faharavany! Ary izay tanàna noravanao dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. Kanefa NY TOMPO mitoetra mandrakizay. Nampiorina ny sezafiandrianany ho amin’ny fitsarana Izy. Hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy; eny, hitsara ny firenena amin’ny fahitsiana Izy. Koa aoka NY TOMPO no ho fiarovana avo ho an’ny voan’ny tsindry hazo lena, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana! Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô! Mihirà ho an’NY TOMPO izay mitoetra any Ziona, ambarao any amin’ny firenena ny asany. Fa manadina ny ra latsaka Izy ka mahatsiaro ny ampahorina; tsy manadino ny fitarainany Izy. Mamindrà fo amiko, TOMPO ô, jereo ny fahoriako nataon’izay mankahala ahy, Ianao izay manandratra ahy ho afaka amin’ny vavahadin’ny fahafatesana, mba hilazako eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy, ny fiderana Anao rehetra ary hifaliako amin’ny famonjenao. Latsaka tamin’ny lavaka izay nohadiny ny Jentilisa; ny fandrika harato izay nafeniny ihany no nahazo ny tongony. NY TOMPO manao izay hahafantarana Azy ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ny asan’ny tanany Izy. Hiverina ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny ratsy fanahy, dia ny Jentilisa rehetra izay manadino an’Andriamanitra. Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny mahantra ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mpandefitra. Mitsangàna, TOMPO ô! Aoka tsy hahery ny olona! Aoka hotsaraina eo anatrehanao ny Jentilisa! Ataovy eo aminy ny horohoro, TOMPO ô! Aoka ho fantatry ny Jentilisa fa olona ihany izy! TOMPO ô, nahoana Ianao no mijanona eny lavitra eny? Nahoana Ianao no miery amin’ny andro fahoriana? Milomay manenjika ny mahantra ny ratsy fanahy; azon’ny fandrika nataony ihany izy ireny. Mirehareha ny ratsy fanahy fa nahazo izay niriny ary mahafoy sy mamingavinga NY TOMPO ny mpierina. Ny ratsy fanahy dia mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy! Tsy misy Andriamanitra! Izany no tontalin-keviny. Mahomby amin’ny fotoana rehetra izy; any amin’ny avo ka lavitra azy ny fitsaranao; ny mpandrafy azy rehetra dia vingavingainy. Hoy izy anakampo: Tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho! Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; misy fampahoriana sy fampijaliana ao ambanin’ny lelany. Mamitsaka manao vela-pandrika ao an-tanàna izy; ao amin’ny takona no amonoany ny tsy manan-tsiny; mikendry ny mahantra ny masony. Manao vela-pandrika ao amin’ny takona tahaka ny liona ao amin’ny famitsahany izy, manao vela-pandrika hisambotra ny ampahorina izy, fandrihany amin’ny harato no fisambony ny ory. Torotoro sy mitanondrika ny mahantra fa lavon’ny herin’ny ratsy fanahy. Dia hoy izy anakampo: Efa nanadino Andriamanitra! Nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay! Mitsangàna, TOMPO ô! Atsangano ny tananao, Andriamanitra ô! Aza manadino ny ory! Nahoana no mamingavinga an’Andriamanitra ny ratsy fanahy? Nahoana no miteny anakampo izy hoe: Tsy hanadina akory Ianao? Hitanao ny fahoriana sy ny alahelo; jerenao izany mba hovalian’ny tananao; Ianao no fiononan’ny mahantra; Ianao no mpamonjy ny kamboty. Torotoroy ny sandrin’ny ratsy fanahy ary sazio noho ny helony ny mpanao ratsy mba tsy ho hitanao intsony. NY TOMPO no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ny taniny intsony ny Jentilisa. Efa nohenoinao, TOMPO ô, ny fanirian’ny mahantra; mampiorina ny fony Ianao sady mampihaino ny sofinao mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny voan’ny tsindry hazo lena, koa tsy hisy olombelona hampitahotra intsony etỳ an-tany. NY TOMPO no ialofako. Ahoana no itenenanareo amin’ny fanahiko hoe: Mandosira ho any an-tendrombohitra toy ny voronkely? Fa indro, manenjana ny tsipìkany ny ratsy fanahy; efa mametraka ny zana-tsipìkany eo amin’ny kofehy izy mba hitifitra ny mahitsy fo ao amin’ny maizina. Fa raha rava ny fototra dia inona indray no azon’ny marina atao? NY TOMPO dia ao amin’ny tempoliny masina, ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia any an-danitra; mijery ny masony; eny, mizaha toetra ny zanak’olombelona ny hodimasony. NY TOMPO mizaha toetra ny marina fa ny ratsy fanahy sy izay tia herisetra dia samy halan’ny fanahiny. Handatsaka afo sy solifara amin’ny ratsy fanahy Izy, tahaka ny fandatsaka ranonorana; rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. Fa marina NY TOMPO ka fahamarinana no tiany; ny olo-mahitsy no hahita ny tavany. Vonjeo, TOMPO ô, fa efa lany ny matahotra an’Andriamanitra, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ny zanak’olombelona. Samy milaza lainga amin’ny namany amin’ny molotra mandokadoka ny olona, ary fo mamorom-pitaka no itenenany. Holevonin’NY TOMPO anie ny molotra mandokadoka rehetra sy ny lela miteny avonavona izay miteny hoe: Ny lelanay no mampahery anay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay? Noho ny fampahoriana ny madinika sy ny fisentoan’ny mahantra dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy NY TOMPO, hataoko mahita ny famonjena iriny ireny vingavingain’ny sasany ireny. Ny tenin’NY TOMPO dia teny madio toy ny volafotsy voarendrika tao anatin’ny memy amin’ny tany; eny, voadio impito. Ianao, TOMPO ô, no hiambina azy, Ianao no hitahiry anay tsy ho azon’ity taranaka ity hatramin’izao ka ho mandrakizay. Mivezivezy eny rehetra eny ny ratsy fanahy rehefa mitombo ny fahambanian-toetran’ny zanak’olombelona. TOMPO ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko? Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako ato anatiko sy halahelovako am-po isanandro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ny fahavaloko ho amboniko? Jereo aho ka valio, RY TOMPO Andriamanitro ô! Ampahazavao ny masoko, fandrao renoky ny torimasom-pahafatesana aho, fandrao ny fahavaloko hilaza hoe: Naharesy azy aho! Fandrao hifaly ny rafiko raha mangozohozo aho. Fa raha izaho kosa dia ny famindramponao no itokiako; hiravoravo amin’ny famonjenao ny foko. Hihira ho an’NY TOMPO aho satria nanisy soa ahy Izy. Ny adala no manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra! Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. Avy eny an-danitra NY TOMPO no miondrika mijery ny zanak’olombelona mba hizahany raha misy olon-kendry mitady an’Andriamanitra. Samy efa nivily lalana izy rehetra ka tonga nanao zava-betaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray akory aza. Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra? Mihinana ny oloko toy ny fihinana mofo izy no sady tsy miantso NY TOMPO. Indreo, tonga feno tahotra ireny, satria Andriamanitra no eo amin’ny taranaka marina. Na dia foananareo aza ny fisainan’ny ory, NY TOMPO kosa no fialofany. Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin’NY TOMPO avy amin’ny fahababoana ny olony dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely. TOMPO ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao amin’ny tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy sady misaintsaina ny marina ao am-pony. Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy sady tsy manisy ratsy ny sakaizany no tsy manao izay hahafa-baraka ny namany. Tsy manaja ny ratsy fanahy izy fa manome voninahitra ny matahotra NY TOMPO; tsy mivadika amin’ny fianianany izy na dia maningotra ny tenany aza. Tsy manome ny volany hampanjanahina izy, na mandray kolikoly hanameloka ny tsy manan-tsiny. Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka Aminao. Hoy aho amin’NY TOMPO: Tompoko Ianao, tsy misy soa ananako azo oharina Aminao! Ho an’ny olona masina ambonin’ny tany sy ireo olona tsara laza ny fankasitrahako rehetra. Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa, tsy mba handraraka ny ra aidiny ho fanatitra aho ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany. NY TOMPO no anjara lovako sy kapoakako; Ianao no mampaharitra ny anjarako. Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, lova tsara tarehy ho ahy izany. Hisaotra NY TOMPO izay manolotsaina ahy aho; na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho. Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko; eny, na ny nofoko aza dia mitoetra tsy manana ahiahy. Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, tsy hamela ny matoky anao ho latsaka ao an-davaka Ianao, hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay. TOMPO ô, mihainoa ny rariny, henoy ny fitarainako! Atongilano ny sofinao hihaino ny vavaka ataoko avy amin’ny molotra tsy misy fitaka! Aoka hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy ka hijery marina ny masonao. Nizaha toetra ny foko Ianao sady namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy Ianao nefa tsy nahita na inona na inona: Tsy naloaky ny vavako izay zavatra nosainiko. Ny amin’ny asan’ny olona dia araka ny tenin’ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ny lalan’ny mpanao an-keriny; mafy orina eo amin’ny lalanao ny diako, tsy solafaka ny tongotro. Miantso Anao aho satria mamaly ahy Ianao, Andriamanitra ô. Atongilano amiko ny sofinao ka henoy ny teniko! Ataovy mahagaga ny famindramponao, Ianao izay mamonjy amin’ny tananao ankavanana ny olona mialoka Aminao mba tsy hahazoan’ny fahavalo azy. Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ny aloky ny elatrao mba tsy ho azon’ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka izay manodidina ahy: Mihidy ao anatin’ny taviny izy, teny miavonavona no aloaky ny vavany. Manara-dia anay sady manodidina anay izy ary mikendry ny hamotraka anay amin’ny tany. Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta hamiravira, tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena. Mitsangàna, TOMPO ô, sakano izy, aripaho izy! Vonjeo amin’ny sabatrao aho mba tsy ho azon’ny ratsy fanahy; vonjeo amin’ny tananao aho, TOMPO ô, mba tsy ho azon’ny olon’izao tontolo izao! Ny anjarany dia amin’izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenanao ny kibony ka vokin’izany ny zanany sady mamela ny fananany be ho an’ny zanany madinika izy. Fa izaho kosa dia aoka hahita ny tavanao amin’ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafapo ahy raha mifoha. Hoy izy: Mamiko indrindra Ianao, RY TOMPO heriko ô! NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, Andriamanitro, vatolampy ialofako, ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. Miantso fiderana NY TOMPO aho dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko. Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana ary nampahatahotra ahy ny riaky ny fahalevonana; nihodidina tamiko ny famatoran’ny fitoeran’ny maty ary nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO; eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary tonga teo an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany. Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany ary nihorohoro ny fanambanin’ny tendrombohitra; eny, nihozongozona ireo satria tezitra NY TOMPO. Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony ary afo mandevona avy teo am-bavany ka nisy vainafo nidedadeda avy aminy. Dia naondriny ny lanitra ka nidina Izy ary haizim-pito no teo ambanin’ny tongony. Nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina haingana tamin’ny elatry ny rivotra Izy. Nanao ny maizina ho fiereny sy ho tranony manodidina Azy Izy, dia rano lalina ngalingaly sy rahona matevina. Ary teo amin’ny famirapiratana teo anoloany dia nandalo ny rahony matevina, ny havandra sy ny vainafo koa! Dia nampikotroka tany an-danitra NY TOMPO, niloa-peo tamin’ny havandra sy ny vainafo ny Avo Indrindra Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko ary nampandeha tselatra be ka nampifanaritaka azy. Dia niseho ny masondrano ary afa-tsarona ny fanambanin’ny tany noho ny teny mafy nataonao, TOMPO ô, noho ny fifofofofon’ny fofonain’ny vavoronao. Nanatsotra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy, nanintona ahy niala tamin’ny ranobe Izy; nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery sy tamin’izay nankahala ahy Izy satria mahery noho izaho ireny. Nisakana ahy ireny tamin’ny andro nahitako loza, nefa NY TOMPO no Mpanohana ahy. Nitondra ahy ho any amin’ny malalaka Izy; nanafaka ahy Izy satria tiany aho. Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO; araka ny fahadiovan’ny tanako no namaliany ahy; fa nitandrina ny lalan’NY TOMPO aho ary tsy mba nanao ratsy hanalavirana an’Andriamanitro. Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako ary ny lalànany dia tsy mba nampialaiko tamiko. Tsy nanan-tsiny Taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ny fahotana. Koa namaly ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO, araka ny fahadiovan’ny tanako teo imasony. Amin’ny olona mahatoky no isehoanao fa mahatoky, amin’ny tena olona marina no isehoanao fa marina, amin’ny olona madio no isehoanao fa madio ary amin’ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. Fa Ianao no mamonjy ny olona ory ary ny mason’ny mpianjonanjona kosa dia aetrinao. Fa Ianao no mampirehitra ny jiroko; NY TOMPO Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. Fa Ianao no ahazoako mihazakazaka hamely ny miaramila iray toko ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. Raha ny amin’Andriamanitra dia tsy manan-tsiny ny lalany; voazaha toetra ny tenin’NY TOMPO; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy NY TOMPO? Iza no Vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy ka tsy mampanan-tsiny ny alehako. Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ny havoana. Mampianatra ny tanako hiady Izy ka mahay manenjana ny tsipìka varahina ny sandriko. Manome ahy ny ampingan’ny famonjenao Ianao; ny tananao ankavanana no manohana ahy ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. Halalahinao ny lalana hodiaviko ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; tsy miverina aho raha tsy mahalany ritra azy. Mamely mafy azy aho ka tsy afa-mitsangana izy; lavo eo ambanin’ny tongotro izy. Mampisikina ahy hery hoenti-miady Ianao, alefitrao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. Ataonao miamboho ahy ny fahavaloko ka aringako izay mankahala ahy. Mitaraina izy nefa tsy misy mpamonjy. Miantso NY TOMPO izy nefa tsy mamaly azy Izy. Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ny rivotra izy; tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariako azy. Mamonjy ahy amin’ny fifandiran’ny olona Ianao ary manandratra ahy ho lehiben’ny firenen-tsamihafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. Raha vao mahare ny lazako izy dia manoa ahy; mikoy ahy ny hafa firenena; mihaketraka ny hafa firenena ka miala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy. Velona NY TOMPO; isaorana anie ny Vatolampiko! Hasandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy, dia Andriamanitra izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ahy amin’ny firenena maro. Mamonjy ahy amin’ny fahavaloko Ianao! Eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Ianao ary manafaka ahy amin’ny mpampihorohoro. Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamihafa, TOMPO ô, ary hankalazako ny anaranao. Manao famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ny Voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay. Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany. Ny andro dia samy miteny amin’ny andro mandimby azy ary ny alina dia samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny miasa anefa sady tsy re koa izay feony. Efa lasa ho any amin’ny tany rehetra ny kofehy fandrefesany ary mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao ny teniny; tany no nanaovany tranolay ho an’ny masoandro. Ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitrano fatoriany, mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy. Avy any amin’ny faravodilanitra no fiposahany ary ny alehany dia hatrany amin’ny farany koa; tsy misy takona amin’ny hafanany. Tsy misy tsiny ny lalànan’NY TOMPO, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’NY TOMPO, mahahendry ny tso-po. Mahitsy ny fitsipiky NY TOMPO, mahafaly ny fo; madio ny didin’NY TOMPO, mampahazava ny maso. Madio ny fahatahorana NY TOMPO, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipiky NY TOMPO, eny, mahitsy avokoa. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena tsy miharo betsaka aza; mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao dia hazavain’ireny ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy ireny. Raha ny fahadisoana tsy nahy, iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatro. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny mpiavonavona; aoka tsy hanapaka ahy ireny! Dia ho marina aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe. Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Hihaino anao anie NY TOMPO amin’ny andro fahoriana, hitondra anao ho any amin’ny avo anie ny anaran’Andriamanitr’i Jakoba! Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerana masina anie Izy ary hanohana anao avy any Ziona. Hahatsiaro ny fanatitra rehetra avy amin’ny zavamaniry ataonao anie Izy ary hankasitraka ny fanatitra dorana manontolo ataonao! Hanome anao araka izay irin’ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fikasanao rehetra. Hihoby noho ny famonjena azonao izahay ary amin’ny anaran’Andriamanitray no hanangananay faneva; hotanterahin’NY TOMPO anie ny angatahinao rehetra. Ankehitriny dia fantatro fa NY TOMPO dia mamonjy ny Voahosony; hamaly azy avy amin’ny lanitry ny fahamasinany Izy, amin’ny herin’ny famonjen’ny tanany ankavanana. Ny sasany dia mitoky amin’ny kalesy fitondra miady, ary ny sasany dia amin’ny soavaly; fa raha izahay kosa dia ny anaran’NY TOMPO Andriamanitray no hantsoinay. Ireo dia reraka sady lavo fa izahay kosa dia mitsangana sy mijoro. TOMPO ô, vonjeo ny mpanjaka! Hamaly anay anie izy amin’izay andro iantsoanay Azy! TOMPO ô, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka. Endre ny haben’ny firavoravoany amin’ny famonjenao! Nomenao azy izay nirin’ny fony ary tsy mba nolavinao izay nangatahin’ny molony. Fa notsenainao tamin’ny fitahiana soa izy; nasianao satroboninahitra volamena tsy miharo teo an-dohany. Aina no nangatahiny Taminao dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria. Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny; laza sy voninahitra no nataonao taminy. Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy ary ampifalinao indrindra amin’ny fanatrehanao. Fa matoky NY TOMPO ny mpanjaka ary noho ny famindrampon’ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy. Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ny tananao ankavanana izay mankahala anao. Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ny andro hisehoanao. NY TOMPO handany azy amin’ny fahatezerany ary handevona azy ny afo. Haringanao tsy ho eo amin’ny tany ny zanany ary tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny taranany. Fa nikasa hanisy ratsy anao izy sady namoron-kevi-dratsy nefa tsy hahefa fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany. Misandrata amin’ny herinao Ianao, TOMPO ô! Hihira sy hankalaza ny herinao amin’ny salamo izahay. Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy ahy Ianao? Lavitry ny famonjena ahy ny tenin’ny fitarainako. Andriamanitro ô, miantso aho nony andro nefa tsy mamaly Ianao; miantso aho nony alina nefa tsy mahita fiononana. Kanefa masina Ianao, ry mipetraka eo amin’ny fideràn’ny Israely. Ianao no nitokian’ny razanay; natoky izy ka nanafaka azy Ianao. Ianao no nitarainany ka afa-nandositra izy; Ianao no nitokiany ka tsy nitsanga-menatra izy. Fa izaho dia olitra fa tsy olona, fandatsan’olona sy fanevatevam-bahoaka. Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy, manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka miteny hoe: Efa niankina tamin’NY TOMPO izy, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, satria mankasitraka azy Izy! Fa Ianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fehizay Ianao, fony aho mbola nampinonoin’ny reniko; nankinina Taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Ianao. Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana sady tsy misy olona hamonjy ahy. Mitangorona amiko ireo ombilahy maro, manemitra ahy ny maherin’i Basana. Misanasana vava amiko izy; eny, toy ny liona mamiravira sy mierona izy. Efa toy ny rano aidina aho ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko, miempo ato anatiko izy. Maina tahaka ny tanimanga vakivaky ny heriko ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako; ao amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy. Fa mitangorona amiko ny amboa, manemitra ahy ny andian’olon-dratsy, manindrona ny tongotro aman-tanako izy. Maha isa ny taolako rehetra aho. Mibanjina sady mangarika ahy ireo. Mizara ny fitafiako ho azy izy ary anaovany antsapaka ny akanjoko. Fa Ianao TOMPO ô, aza manalavitra; ry heriko ô, faingàna hamonjy ahy! Afaho amin’ny sabatra aho, vonjeo amin’ny herin’ny amboa ny aiko! Afaho amin’ny vavan’ny liona sy amin’ny tandroky ny ombimanga aho! Dia namaly ahy Ianao! Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho, eo afovoan’ny fiangonana no hiderako Anao. Ianareo izay matahotra NY TOMPO, miderà Azy! Ry taranak’i Jakoba rehetra, omeo voninahitra Azy! Matahora Azy, ry Zanak’Israely rehetra! Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory Izy ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina Aminy ireny dia mihaino Izy. Avy Aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’izay matahotra NY TOMPO. Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera NY TOMPO ireo izay mitady Azy. Ho velona mandrakizay anie ny fonareo! Hahatsiaro NY TOMPO ny any amin’ny faran’ny tany rehetra ka hiverina Aminy; hiankohoka eo anatrehany ny fokon’ny firenen-tsamihafa. Fa an’NY TOMPO ny fanjakana; manapaka ny firenen-tsamihafa Izy. Hihinana sy hiankohoka koa ny mpanefoefo rehetra ambonin’ny tany; eo anatrehany no hiondrehan’izay rehetra midina any amin’ny vovoka, dia ireo izay tsy mahavelona ny ainy. Hisy taranaka hanompo Azy ary ny Tompo dia holazaina amin’ny taranaka ho avy. Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany amin’ny olona izay mbola hateraka fa Izy no nanao izany. NY TOMPO no Mpiandry ahy: Tsy misy zava-mahory ahy. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Ianao; manosotra diloilo ny lohako Ianao; ny kapoakako dia feno dia feno. Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho amin’ny androko rehetra. An’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy. Fa Izy no manorina azy eo ambonin’ny ranomasina, eo ambonin’ny renirano no ampitoerany azy. Iza no hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO? Ary iza no hijoro ao amin’ny fitoerany masina? Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga na mianiana hamitaka. Handray fitahiana avy amin’NY TOMPO izy ary hahazo fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy. Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia i Jakoba! Asandrato ny lohanareo, ry vavahady! Misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra! Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? NY TOMPO mahery Tsitoha, NY TOMPO mpiady mahery. Asandrato ny lohanareo, ry vavahady! Misandrata ianareo ry varavarana fahagola, mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra! Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko. Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho! Eny, tsy hisy hitsanga-menatra izay rehetra manantena Anao, fa izay mivadika foana no ho menatra. Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro. Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, TOMPO ô, fa efa hatrizay hatrizay ireny. Aza ny fahotan’ny fahatanorako na ny ratsy nataoko no tsarovanao, fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao, TOMPO ô! Tsara sy mahitsy NY TOMPO, koa izany no anoroany lalana ny mpanota. Mampandeha ny mpandefitra amin’ny fahamarinana Izy ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony. Noho ny anaranao, TOMPO ô dia mamelà ny heloko fa lehibe izany. Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. Hitoetra amin’ny soa izy ary handova ny tany ny taranany. Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. Mijery NY TOMPO mandrakariva ny masoko fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato. Todiho aho ka amindrao fo fa irery aho ka ory. Mitombo ny fahorian’ny foko; afaho amin’ny fahatereko aho. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko ka mamelà ny fahotako rehetra! Jereo ny fahavaloko fa marobe izy ary loza ny fankahalany ahy. Arovy aho mba ho velona ka vonjeo aho! Aoka tsy hitsanga-menatra aho fa mialoka Aminao. Aoka ny tsy fananan-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy fa manantena Anao aho! Andriamanitra ô, afaho amin’ny fahoriany rehetra ny Israely Tsarao aho, TOMPO ô, fa mandeha araka ny hitsim-poko; NY TOMPO no itokiako ka tsy mivembena aho. Diniho aho, TOMPO ô, ka fantaro, izahao toetra ny voako sy ny foko; fa ny famindramponao no eo anoloan’ny masoko; mandeha amin’ny fahamarinanao aho. Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho na manan-draharaha amin’ny olom-petsy; halako ny fivorian’ny mpanao ratsy ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho. Manasa ny tanako amin’ny tsy fananako tsiny aho ka hanodidina ny alitaranao mba hanandratra feo fiderana, TOMPO ô, sady hilaza ny asanao mahagaga rehetra. TOMPO ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ny voninahitrao. Aza entinao miaraka amin’ny mpanota aho, na ny aiko miaraka amin’ny mpandatsa-dra izay misy fitaka eny an-tanany ary feno kolikoly ny tanany havanana! Fa izaho dia mandeha amin’ny tsy fananako tsiny; avoty aho ary amindrao fo! Mijoro mahitsy amin’ny tongotro aho; ao amin’ny fiangonana no isaorako NY TOMPO. NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako? Raha manatona ahy mba hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy izay fahavaloko sy rafiko dia izy tenany ihany no tafintohina ka lavo. Na dia misy tafika mitoby hiady amiko aza dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza dia hatoky ihany aho. Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny. Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany Izy amin’ny andro fahoriana; hampiery ahy ao amin’ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. Koa ankehitriny dia hisandratra ho ambonin’ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako ka hanolotra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza NY TOMPO aho. Mihainoa, TOMPO ô, fa mitaraina mafy aho; mamindrà fo amiko ka valio aho! Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako! Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô! Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana! Ianao no famonjena ahy, aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy! Efa nahafoy ahy ny ray aman-dreniko nefa mandray ahy kosa NY TOMPO. Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô; tariho amin’ny lalana tokony halehako aho noho ny fahavaloko. Aza manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ny mpampahory ahy fa mitsangana hiampanga ahy ny vavolombelona mandainga izay mifofo loza. Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’NY TOMPO amin’ny tanin’ny velona! Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao! Ianao no antsoiko, TOMPO ô! Ry Vatolampiko ô! Aza manentsin-tadìny amiko, fandrao raha mangina amiko Ianao dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho. Mihainoa ny feon’ny fifonako rehefa mitaraina Aminao aho ka manandratra ny tanako ho amin’ny fitoeranao ao amin’ny Masina Indrindra. Aza atao indray manakipaka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao heloka aho fa ireny dia milaza fihavanana amin’ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ny ataony; eny, manomeza azy araka ny asan’ny tanany, valio araka izay mendrika azy izy! Satria tsy mihevitra ny asan’NY TOMPO izy na ny asan’ny tanany dia aoka horavan’NY TOMPO izy fa tsy haoriny! Isaorana anie NY TOMPO! Fa efa nihaino ny feon’ny fifonako Izy. NY TOMPO no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko ka ny hirako no hiderako Azy. NY TOMPO no heriny, Izy no fiarovana mafy hamonjena ny Voahosony. Vonjeo ny olonao ary tahio ny lovanao! Andraso izy ka ento hatramin’ny mandrakizay. Omeo NY TOMPO, ry zanak’Andriamanitra; eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO! Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina! Ny feon’NY TOMPO no eny ambonin’ny rano; Andriamanitry ny voninahitra no mampirefotra ny kotroka; NY TOMPO no eny ambonin’ny ranobe. Ny feon’NY TOMPO dia be hery; ny feon’NY TOMPO dia be voninahitra; ny feon’NY TOMPO dia manorotoro ny hazo sedera; eny, NY TOMPO manorotoro ny hazo sedera any Libanona; mampitsambikina an’i Libanona tahaka ny zanak’omby Izy ary i Siriona tahaka ny zanaky ny ombimanga. Ny feon’NY TOMPO dia mampisaraka ny lelafo; ny feon’NY TOMPO dia mampihorohoro ny tany efitra; NY TOMPO mampihorohoro ny tany efitr’i Kadesy. Ny feon’NY TOMPO dia mampiteraka ny dieravavy ary mivaofy ny ala be. Ary ny ao an-tempoliny dia samy miteny hoe: Voninahitra e! NY TOMPO nipetraka teo ambonin’ny safodrano; eny, NY TOMPO mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay. NY TOMPO hanome hery ny olony; NY TOMPO hitahy ny olony amin’ny fiadanana. Hanandratra Anao aho, TOMPO ô, fa nanintona ahy niakatra Ianao; tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho. TOMPO Andriamanitro ô! nitaraina taminao aho dia nanasitrana ahy Ianao. TOMPO ô, efa nampiakatra ahy avy tany amin’ny fitoeran’ny maty Ianao; nampody ny aiko Ianao mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho. Mankalazà NY TOMPO, ry olony masina, miderà Azy ka ankalazao ny fahatsiarovana ny fahamasinany. Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. Hoy aho raha mbola niadana: Tsy hangozohozo mandrakizay aho! TOMPO ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro. Nanafina ny tavanao Ianao dia very hevitra aho. Ianao no nantsoiko, TOMPO ô! Nifona tamin’NY TOMPO aho hoe: Inona no soa azo amin’ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? Mihainoa, TOMPO ô, ka mamindrà fo amiko! TOMPO ô, aoka ho Mpamonjy ahy Ianao! Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao, efa nanaisotra ny akanjo fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana, mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho. TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho. TOMPO ô! Ianao no ialofako. Aoka tsy hitsanga-menatra akory aho mandrakizay! Afaho amin’ny fahamarinanao aho! Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hanafaka ahy! Aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Ianao mba hamonjena ahy! Fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy. Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Ianao, fa Ianao no fiarovana mafy ho ahy. Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Ianao, TOMPO ô, Andriamanitry ny fahamarinana! Halako izay mifikitra amin’ny zava-poana mamitaka, fa izaho dia NY TOMPO no itokiako. Hifaly sy hiravoravo amin’ny famindramponao aho fa mahita ny fahantrako Ianao ka mahafantatra ny fahorian’ny fanahiko ary tsy mba nanolotra ahy ho eo an-tanan’ny fahavalo fa efa mampitoetra ny tongotro teo amin’ny malalaka Ianao. Mamindrà fo amiko, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho; simban’alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny ao anatiko rehetra. Lanin’alahelo ny aiko sady lanim-pisentoana ny taonako; tsy manan-kery aho noho ny heloko ary efa lany ny taolako. Noho ny ataon’ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho na dia amin’ny mpiaramonina aza; atahoran’ny olom-pantatro aho ary mandositra ahy izay mahita ahy eny ivelany. Efa hadino any am-pon’ny olona tahaka ny olona maty aho, tahaka ny vilany fanary. Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; eny, fampihorohoroana manodidina. Raha miara-mioko hamely ahy izy dia miray tetika hahafaty ny aiko. Nefa matoky Anao aho, TOMPO ô! Hoy aho: Andriamanitro Ianao! Eo an-tananao ny androko; vonjeo aho tsy ho azon’ny tanan’ny fahavaloko sy izay manenjika ahy! Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ny famindramponao aho! Aoka tsy hitsanga-menatra aho, TOMPO ô, satria miantso Anao! Fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ny fitoeran’ny maty. Aoka hangina ny molotra mandainga izay miteny sahisahy manohitra ny marina amin’ny avonavona sy ny fanamavoana! Akory re ny haben’ny hatsaranao izay voarakitrao ho an’ny matahotra Anao, dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona, no ho an’izay mialoka Aminao! Hanafina azy ao amin’ny fierena eo anatrehanao Ianao mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; hampiery azy ao amin’ny tranonao Ianao mba tsy ho azon’ny lela miampanga izy. Isaorana anie NY TOMPO! Fa nataony mahagaga ny famindrampony tamiko tao an-tanàna mimanda. Fa hoy aho tamin’ny fahatairako: Voafongotra tsy ho eo imasonao aho! Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako ihany Ianao raha nitaraina Taminao aho. Tiava NY TOMPO, ry olony masina rehetra! Miaro ny marina NY TOMPO fa mamaly mafy ny mpiavonavona kosa Izy. Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay miandry NY TOMPO. Sambatra ny olona izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany! Sambatra ny olona izay tsy isain’NY TOMPO heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny! Raha nangina aho dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandritra ny andro, fa navesatra tamiko andro aman’alina ny tananao; niova ny fahatanjahako, toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona. Ny fahotako dia nambarako Taminao ary ny heloko tsy mba nafeniko; hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin’NY TOMPO aho; ary Ianao dia namela ny heloko, ny fahotako. Izany no aoka hivavahan’ny matahotra an’Andriamanitra rehetra Aminao amin’izay fotoana hahitana Anao! Eny tokoa, na dia tondraka aza ny ranobe dia tsy hahatratra azy izany. Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko. Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy fa tsy mety manakaiky anao izy. Be ny fanaintainan’ny ratsy fanahy, fa izay matoky NY TOMPO kosa dia hodidinin’ny famindrampo. Mifalia amin’NY TOMPO ary miravoravoa ianareo olona marina! Mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra. Mihobia ho an’NY TOMPO ianareo, ry olona marina! Fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana. Miderà NY TOMPO amin’ny lokanga; mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo. Mihirà hira vaovao ho Azy! Mitendre tsara amin’ny feo mihoby. Fa mahitsy ny tenin’NY TOMPO ary mahatoky avokoa ny asany rehetra. Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindrampon’NY TOMPO ny tany. Tamin’ny tenin’NY TOMPO no nanaovana ny lanitra ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana izay rehetra ao aminy. Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra iray Izy; mitahiry ny rano lalina ho ao amin’ny trano fitahirizana Izy. Aoka hatahotra NY TOMPO ny tany rehetra! Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao! Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy dia nitoetra mafy izany. Mahafoana ny fikasan’ny firenen-tsamihafa NY TOMPO; mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. Maharitra mandrakizay ny fikasan’NY TOMPO ary mahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny hevitry ny fony. Sambatra ny firenena izay manana NY TOMPO ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany! Avy eny an-danitra no itsinjovan’NY TOMPO; mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy; avy eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany, dia Izy izay namolavola ny fon’izy rehetra sy mamantatra ny asany rehetra. Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny hamaroan’ny miaramilany; ny olo-mahery dia tsy voavonjin’ny haben’ny heriny. Ny soavaly dia tsy azo itokiana ho famonjena ary tsy mahavonjy ny haben’ny tanjany. Indro, mitsinjo izay matahotra Azy ny mason’NY TOMPO, dia izay manantena ny famindrampony, mba hanafaka azy amin’ny fahafatesana sy hamelona azy raha misy mosary. Miandry NY TOMPO ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ifalian’ny fontsika satria ny anarany masina no itokiantsika. TOMPO ô, aoka ny famindramponao hitoetra aminay araka ny iandrasanay Anao! Hisaotra NY TOMPO lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. NY TOMPO no reharehan’ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly. Miaraha mankalaza NY TOMPO amiko ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. Nitady NY TOMPO aho dia namaly ahy Izy ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra. Izay mijery Azy dia miramirana sady tsy mangaihay ny tavany. Ity olona ory ity no niantso dia nihaino NY TOMPO ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra. Ny Anjelin’NY TOMPO dia mitoby manodidina izay matahotra Azy ka manafaka azy. Andramo ka zahao fa tsara NY TOMPO! Sambatra izay olona mialoka Aminy! Matahora NY TOMPO, ianareo olony masina! Fa tsy misy zava-maha ory izay matahotra Azy. Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana; fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. Avia, anaka, mihainoa ahy! Ny fahatahorana NY TOMPO no hampianariko anareo. Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa dia arovy amin’ny ratsy ny lelanao ary aoka ny molotrao tsy hiteny fitaka. Halaviro ny ratsy ka manaova soa; mitadiava fihavanana ka araho izany. Ny mason’NY TOMPO dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany. Ny tavan’NY TOMPO dia tezitra amin’ny mpanao ratsy mba hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy. Mitaraina ny marina ary mihaino azy NY TOMPO ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra; akaiky an’izay manana fo mangorakoraka NY TOMPO ary mamonjy izay torotoro fanahy. Maro ny fahorian’ny marina, nefa NY TOMPO manafaka azy amin’izany rehetra izany. Miaro ny taolany rehetra Izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana ary hohelohina izay mankahala ny olona marina. Fa manavotra ny fanahin’ny mpanompony NY TOMPO ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka Aminy. TOMPO ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin’izay mamely ahy! Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy! Raiso ny lefona ka sakano izay manenjika ahy! Lazao amiko hoe: Famonjena anao Aho! Aoka hitsanga-menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko! Aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy! Aoka ho tahaka ny akofa aelin’ny rivotra izy ary aoka handroaka azy ny Anjelin’NY TOMPO. Aoka ho maizina sy malama ny lalany ary aoka hanenjika azy ny Anjelin’NY TOMPO! Fa tsy amin’antony ny nanafenany lavaka tamiko tamin’ny harato hahazoany ahy; tsy amin’antony ny nandavahany lavaka hamandrihana ny aiko. Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny; aoka ho azon’izany izy ka ho latsaka ao amin’izany fandringanana izany. Fa ny fanahiko kosa dia hiravoravo ao amin’NY TOMPO sy ho faly amin’ny famonjeny. Hatramin’ny taolako rehetra dia hiteny hoe: TOMPO ô, iza no tahaka Anao izay manafaka ny mpandefitra amin’ny mahery noho izy; eny, ny ory sy ny mahantra amin’izay mandroba azy? Misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana ka zavatra tsy fantatro no anadinany ahy. Mamaly ratsy ahy ho solon’ny soa izy ka zary manirery aho. Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia akanjo fisaonana no nanaovako; nampahory ny tenako tamin’ny fifadian-kanina aho ary niverimberina ny vavaka nataoko. Nandeha toy ny nanan-tsakaiza na rahalahy mana-manjo aho, nitanondrika tamin’alahelo toy ny misaona reny aho. Nefa nony nivembena efa ho lavo aho dia faly izy ireo ka nitangorona; nitangorona hamely ahy izy ireo fa izaho no tsy nahafantatra; tsy nitsahatra namiravira izy; miaraka amin’ny olon-dratsy mpanendrikendrika sy mpanararaotra izy ka mihidy vazana amiko. Tompo ô, mandra-pahoviana no hijery izany fotsiny Ianao? Afaho amin’ny fandringanana ataony aho ary avoty amin’ny liona tanora ny aiko tokana. Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonan-dehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho. Aoka tsy hifalian’izay mandrafy ahy foana aho ary aoka tsy hangarika ahy izay mankahala ahy tsy amin’antony! Fa tsy fihavanana no lazainy; mamorom-pitaka izy hamelezany ny olona bonaika ambonin’ny tany. Mitanatana vava amiko izy ka miteny hoe: Hia! Akory izay! Ny masonay no nahita! Hitanao izany, TOMPO ô, ka aza mangina! Aza manalavitra ahy, Tompo ô! Mifohaza Ianao ka miarena hitsara ny raharahako! Ry Andriamanitro sy Tompoko! Mifohaza ho amin’ny adiko! Tsarao araka ny fahamarinanao aho, RY TOMPO Andriamanitro ô! Aoka tsy hifalian’ireo aho! Aoka tsy hiteny anakampo izy hoe: Hia! Izay no nirinay! Aoka tsy hiteny izy hoe: Efa natelinay izy! Aoka hitsanga-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ny manjo ahy! Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko! Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; aoka izy hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony! Hilaza ny fahamarinanao ny lelako; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva. Misy fitenin’ny ratsy fanahy tonga ato an-tsaiko; araka ny heviny dia tsy misy tokony hatahorana an’Andriamanitra. Fa miarahaba tena kosa izy ka tsy mahafantatra ny helony sady tsy mankahala izany. Ny tenin’ny vavany dia faharatsiam-panahy sy fitaka; tsy ao an-tsainy intsony ny hanao ny tsara. Asa ratsy no saintsaininy eo am-pandrianany; mitsangana eo amin’ny lalana tsy mety izy; tsy mba laviny akory ny ratsy. TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao. Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo, ny fitsaranao dia toy ny lalina lehibe. Ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, TOMPO ô! Endre ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô! Mialoka eo ambany elatrao ny zanak’olombelona. Voky ny matavy ao amin’ny tranonao izy; ny zava-tsoanao mikoriana no ampisotroinao azy. Fa ao Aminao no misy loharanon’aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. Ampahareto amin’izay mahalala Anao ny famindramponao ary amin’ny mahitsy fo ny fahamarinanao. Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ny ratsy fanahy. Amin’izany no mahalavo ny mpanao ratsy; mianjera izy ka tsy tafarina. Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao ary aza mialona ny mpanao heloka, fa maina vetivety tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana. Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao. Ankino amin’NY TOMPO ny lalanao ary matokia Azy fa Izy no hanatanteraka. Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy. Mitsahara amin’ny fahatezerana ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy ho tezitra ianao fa ratsy no hiafaran’izany. Fa hofongorana ny mpanao ratsy ary izay manantena NY TOMPO no handova ny tany. Rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ratsy fanahy intsony! Handinika ny fonenany ianao fa tsy ho ao intsony izy! Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Manao hevi-dratsy hamelezany ny marina ny ratsy fanahy ka mihidy vazana aminy. Mihomehy azy ny Tompo satria hitany fa ho tonga ny androny. Nanatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny mahantra ary hamono ny mahitsy lalana. Hitsatoka amin’ny fony ihany ny sabany ary ho tapatapaka ny tsipìkany. Tsara lavitra ny kely ananan’ny olona marina iray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro; ho tapatapaka ny sandrin’ny ratsy fanahy, fa NY TOMPO manohana ny marina. Fantatry NY TOMPO ny andron’ny olo-mahitsy ary ho mandrakizay ny lovany. Tsy mba hitsanga-menatra ireny amin’ny andro fahoriana ary amin’ny taona misy mosary dia ho voky izy. Fa ho ringana ny ratsy fanahy ary ho tahaka ny voninahitry ny saha ny fahavalon’NY TOMPO; ho levona izy; eny, ho levon-ko setroka izy. Mitrosa ny ratsy fanahy nefa tsy manonitra, fa mamindra fo kosa ny marina ka manome. Fa izay tahiny no handova ny tany ary izay ozoniny kosa no hofongorana. Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany; na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy. Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina. Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra ary hotahina ny taranany. Halaviro ny ratsy ka manaova soa, dia honina mandrakizay ianao. Fa NY TOMPO tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina. Harovana mandrakizay ireo; fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa dia hofongorana. Ny marina dia handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay. Miresaka fahendrena ny vavan’ny marina ary manambara ny rariny ny lelany. Ny lalànan’Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany. Ny ratsy fanahy dia mitsikilo ny marina ka mitady ny hahafaty azy; NY TOMPO anefa tsy hahafoy azy eo an-tanany na hamela azy ho voaheloka raha tsaraina. Miandrasa NY TOMPO ka tandremo ny lalany dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly ianao hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy. Efa hitako ny ratsy fanahy fa loza loatra izy; nisandrahaka tahaka ny hazo maitso naniry ho azy. Kanjo nandalo izy ka indro, tsy teo intsony. Nitady azy aho nefa tsy hita izy. Diniho ny tsy misy tsiny ka jereo ny mahitsy; manana ny ho aviny ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota kosa dia hiara-haringana; ho fongotra ny hoavin’ny ratsy fanahy. Ny famonjena ny marina dia avy amin’NY TOMPO; fiarovana mafy ho azy Izy amin’ny andro fahoriana. Ary NY TOMPO mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria mialoka Aminy ireo. TOMPO ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy! Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao ary manindry ahy mafy ny tananao. Tsy misy fahasalamana ao amin’ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy fiadanana ao amin’ny taolako noho ny fahotako. Fa mihoatra ny lohako ny heloko; tahaka ny entana mavesatra izany ka tsy zakako. Maimbo sady mihalalina ny feriko noho ny hadalako. Mitanondrika sy mijoretra izay tsy izy aho ary toy ny misaona mandrakariva. Mamaivay avokoa ny voako ka tsy misy izay salama ao amin’ny nofoko. Marikoditra aho sady torovana indrindra, midradradradra aho sady mitoloko ny foko. Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; tsy mba miafina Aminao ny fisentoako. Miemponempona ny foko, nandao ahy ny heriko; tsy ato amiko intsony na ny fahiratan’ny masoko aza. Manalavitra ny aretiko ny namako sy ny sakaizako ary mijanona eny lavitra eny ny havako. Manao vela-pandrika ireo izay mitady ny aiko ary miteny fampihorohoroana ireo izay mitady hanimba ahy sady miteny fitaka mandrakariva. Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; eny, tahaka ny olona tsy mandre sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. Fa Ianao no antenaiko, TOMPO ô; Ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitro ô. Fa hoy aho: Sao dia hifalian’izy ireo anie aho; raha mibolasitra ny tongotro dia hirehareha amiko izy! Fa efa ho lavo aho ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. Fa ibabohako ny heloko; matahotra aho noho ny fahotako. Fa velona ihany ny fahavaloko sady mahery, maro no mankahala ahy tsy amin’antony; mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ny fikatsahako ny tsara. Aza mahafoy ahy, RY TOMPO ô! Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy! Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy, ô! Hoy aho: Hitandrina ny lalako aho mba tsy hanota amin’ny lelako; hasiako fehiny ny vavako raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy. Nangina tsy niteny mihitsy aho, namihim-bava aho ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainako. Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho dia nisy afo nirehitra ka niteny tamin’ny lelako aho hoe: TOMPO ô, ampahafantaro ny fiafarako sy izay fetran’ny androko aho; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. Indro, efa nataonao toy ny felatanana ny halavan’ny androko ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny androm-piainako: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona mijoro rehetra. Toy ny aloka miserana tokoa ny fandehan’ny andron’ny olona; zava-poana tokoa no itabatabany! Mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany. Ary ankehitriny Tompo ô, inona no andrasako? Ianao no antenaiko. Manafaha ahy amin’ny fahadisoako rehetra; aza mamela ahy ho fanakòran’ny adala. Mangina aho ka tsy miloa-bava satria Ianao no nanao izao. Ampanalaviro ahy ny kapoka avy Aminao; reraka aho azon’ny famelin’ny tananao. Fanasaziana noho ny fahadisoany no anitsianao ny olona ka manimba ny zavatra tiany tahaka ny ataon’ny kalalao Ianao. Eny, zava-poana tokoa ny olona rehetra. Henoy ny vavaka ataoko, TOMPO ô! Atongilano amin’ny fitarainako ny sofinao ary aza mangina amin’ny ranomasoko! Fa vahiny Aminao aho sady mpivahiny tahaka ny razako rehetra. Aza atrehinao aho aloha dia ho miramirana indray, dieny tsy mbola lasa aho ka tsy ho eto intsony! Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky NY TOMPO. Sambatra ny olona izay manana NY TOMPO ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpiampanga lainga! Nohamaroinao ny fahagagana sy ny hevitra izay nataonao ho anay, TOMPO Andriamanitro ô, tsy misy azo ampitahaina aminao; raha tiako hambara sy holazaina ireny dia indro, maro loatra ka tsy tambo isaina. Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia tsy mba sitrakao. Nanokatra ny sofiko Ianao; ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota dia tsy mba nilainao. Dia hoy aho: Inty aho tonga; ao amin’ny horonam-boky no nanoratana ahy. Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako ary ny lalànanao no ato anatiko. Nanambara teny mahafaly ny amin’ny fahamarinana teo amin’ny fiangonan-dehibe aho; indro, tsy mba nakomboko ny molotro; TOMPO ô, Ianao no mahalala! Tsy mba nafeniko tato am-poko ny fahitsianao, ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonan-dehibe aho. Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva. Nanodidina ahy ny loza tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko ka tsy mahazaka mijery azy aho; maro noho ny volon-dohako ireny ka reraka ny foko. Aoka ho sitrakao, TOMPO ô, ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy! Aoka ho indray hitsanga-menatra sy hangaihay izay mitady hanaisotra ny aiko; aoka hiamboho sy hitsanga-menatra izay maniry ahy hidiran-doza! Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireo izay milaza amiko hoe: Hia! Akory izay! Aoka ho faly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Aoka izay rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO! Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô! Sambatra izay mahatsiaro ny mahantra! NY TOMPO manafaka azy amin’ny andro fahoriana; NY TOMPO hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; holazaina fa sambatra ambonin’ny tany izy ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony. NY TOMPO hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; soloinao ny momba ny fandrianany rehetra eo am-paharariany. Hoy aho: Mamindrà fo amiko, TOMPO ô! Sitrano ny fanahiko fa efa nanota Taminao aho. Maniry loza ho ahy ny fahavaloko ka miteny hoe: Rahoviana izy no ho faty ka ho very ny anarany? Raha misy tonga mamangy ahy dia zava-poana no teneniny; manangona faharatsiam-panahy ny fony; raha vao tafavoaka izy dia milazalaza ireny. Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy. Tena zava-doza, hoy izy, no hihatra aminy! Raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony! Eny, ny sakaizako izay nitokisako sady nihinana ny haniko aza no nanainga ny voditongony hamely ahy. Fa Ianao kosa, TOMPO ô, mamindrà fo amiko ka atsangano aho mba hamaliako azy! Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Ianao, dia ny tsy anakoran’ny fahavaloko ahy. Ny amiko dia manohana ahy amin’ny fahitsiako Ianao ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay! Amena; eny, Amena. Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô! Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra? Ny ranomasoko no sakafoko andro aman’alina, amin’ny filazana amiko mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Izao zavatra izao anefa no hotsarovako rehefa mamboraka ny fanahiko ato anatiko aho, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ny olona maro sy ny nitarihako azy ho any amin’ny tranon’Andriamanitra, tamin’ny feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana. Nahoana ianao ry fanahiko no mitanondrika ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra ianao! Fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany. Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko. Izany no ahatsiarovako Anao atỳ amin’ny tanin’i Jordana sy ireo Hermona ary ny tendrombohitra Mizara. Ny lalina dia miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ny rian-dranonao; nanafotra ahy ny onjanao rehetra sy ny alondranonao. Handidy ny famindrampony NY TOMPO nony andro ary hihira ho Azy aho rehefa alina. Vavaka amin’Andriamanitra izay mamelona ahy izany. Hoy aho amin’Andriamanitra Vatolampiko: Nahoana no nanadino ahy Ianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ny fahavaloko? Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ny fahavaloko ahy amin’ny ilazany amiko isanandro hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro. Omeo rariny aho Andriamanitra ô, alaharo ny teniko mba handreseko ireo firenena tsy manana famindrampo! Vonjeo aho ho afaka amin’ny lehilahy mpamitaka sy mpanao heloka! Fa Ianao no Andriamanitra fiarovana mafy ho ahy; nahoana no manary ahy Ianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ny fahavaloko? Iraho ny fahazavanao sy ny fahamarinanao! Aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina, any amin’ny tabernakelinao! Hankany amin’ny alitaran’Andriamanitra aho, dia any amin’Andriamanitry ny fifaliako sy ny firavoravoako; hidera Anao amin’ny lokanga aho ry Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao! Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay no nitantara taminay ny asa nataonao tamin’ny androny, tamin’ny andro fahiny. Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamihafa fa ny razanay kosa dia nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro fa izy kosa dia nataonao mahafeno ny tany. Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany ary tsy ny sandriny no namonjy azy fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ny tavanao satria sitrakao izy. Ianao dia Ianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Didio ny famonjena ho an’i Jakoba! Ianao no anosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no anitsakitsahanay izay mitsangana hamely anay. Fa tsy ny tsipìkako no itokiako ary ny sabatro dia tsy hahavonjy ahy; fa Ianao no namonjy anay tamin’ny fahavalonay ary izay nankahala anay dia nataonao menatra. Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. Kanefa nanary anay Ianao ka nampitondra henatra anay, ary tsy mivoaka miaraka amin’ny antokon’ny miaramilanay intsony Ianao. Ataonao mihemotra manoloana ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia manaram-po mamabo. Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay ary aelinao any amin’ny firenen-tsamihafa. Mivarotra ny vahoakanao tsy amim-bola tsy amin-karena Ianao ka tsy mahazo tombony amin’ny vidiny akory. Ataonao fandatsan’ny mpiaramonina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’izay manodidina anay. Ataonao ho oha-pitenenan’ny firenen-tsamihafa izahay, fihifikifihan-doha amin’ny olona maro. Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-barakako ary manafotra ahy ny henatro noho ny feon’ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino Anao izahay sady tsy mivadika amin’ny fanekenao; tsy mihemotra ny fonay ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay, nefa Ianao dia nanorotoro anay teo amin’ny fitoeran’ny amboadia, sady nanarona anay tamin’ny aloky ny fahafatesana. Raha toa ka nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay, na nanandra-tanana tamin’ny andriamanitra hafa, moa tsy ho nahita izany va Andriamanitra satria Izy mahalala ny miafina ao am-po? Fa noho ny Aminao no amonoana anay isanandro, toy ny ondry hovonoina no fijery anay. Mifohaza Tompo ô! Nahoana Ianao no matory? Miarena! Aza manary anay mandrakizay! Nahoana no manafina ny tavanao Ianao ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? Fa mihohoka amin’ny vovoka izahay, miraikitra amin’ny tany ny kibonay. Mitsangàna hamonjy anay! Avoty izahay araka ny famindramponao. Mampiboiboika teny tsara ny foko. Hoy aho hoe: Ho an’ny mpanjaka ny asako! Aoka ny lelako ho toy ny fanoratan’ny haingam-panoratra! Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona rehetra ianao; fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao; izany no nitahian’Andriamanitra anao mandrakizay. Fehezo eo amin’ny andilanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao; eny, amin’ny voninahitra no hitaingenanao soavaly mba handrosoanao amin-kery, ho fiarovana ny marina sy ny fahalemem-panahy ary ny rariny sy hitsiny! Aoka hanoro anao hanao asa mahatahotra ny tananao ankavanana. Voaranitra ny zana-tsipìkanao, firenena maro no ho ringana ka hohitsakitsahinao; hitsatoka ao am-pon’ny fahavalon’ny mpanjaka izany. Andriamanitra ô, mandrakizay doria ny sezafiandriananao; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. Tianao ny fahamarinana fa halanao ny heloka. Noho izany no nanosoran’Andriamanitra anao, fa tsy ny namanao, diloilo fifaliana. Manitra miora sy hazomanitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zavamaneno tendrena avy ao amin’ny lapa ivoara no mampifaly anao. Zanakavavin’ny mpanjaka no isan’ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ny vadin’ny mpanjaka; miravaka volamena avy any Ofira izy. Henoy, Razazavavy, jereo ka atongilano ny sofinao; hadinoy ny firenenao sy ny tranon’ny rainao. Irin’ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao satria izy no tomponao, koa miankohofa eo anatrehany. Hitondra fanomezana ho anao, ry zanakavavin’i Tiro, ny mpanankarena amin’ny vahoaka dia te hila sitraka aminao. Be voninahitra ny zanakavavin’ny mpanjaka ao an-dapa; tenona misy volamena no fitafiany. Mitafy lamba misoratsoratra izy raha entina ho ao amin’ny mpanjaka. Ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao. Entina amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ny mpanjaka izy. Handimby ny anaran-drainao ny zanakao lahy, hotendrenao ho mpanapaka any amin’ny tany rehetra izy. Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ny firenena anao mandrakizay doria. Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra, na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Misy ony iray, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’Andriamanitra, fonena-masin’ny Avo Indrindra; Andriamanitra no eo afovoany ka tsy mba hihetsika akory izy; Andriamanitra no hamonjy azy rehefa madiva ho maraina ny andro. Mitabataba ny firenen-tsamihafa, mikorontana ny fanjakana maro; mamoaka ny feony Izy ka niempo ny tany. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Avia, jereo ny asan’NY TOMPO, fa mahatonga faharavana etỳ ambonin’ny tany Izy. Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany Izy, mamotipotika ny tsipìka sy manapaka ny lefona Izy ary mandoro ny sarety amin’ny afo. Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra! Mihobia ho an’Andriamanitra amin’ny feo miravoravo! Fa NY TOMPO, ny Avo Indrindra, dia tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ny tany rehetra Izy. Mampanaiky firenena maro eo anoloantsika Izy ary firenen-tsamihafa ho ambanin’ny tongotsika; mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’i Jakoba izay tiany. Niakatra tao anatin’ny fihobiana Andriamanitra, NY TOMPO niakatra tamin’ny fitsofana ny anjomara. Mihirà ho an’Andriamanitra; eny, mihirà. Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika; eny, mihirà. Fa Mpanjaka amin’ny tany rehetra Andriamanitra; manaova hira fankalazana Azy ianareo. Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-tsamihafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany masina. Mivory ny mpitondra ny firenen-tsamihafa miaraka amin’ny olon’Andriamanitr’i Abrahama; fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany. Avo indrindra Izy. Lehibe NY TOMPO ka mendrika Azy ny fiderana ambony indrindra, ao an-tanànan’Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina. Avo mahafinaritra sady fifalian’ny tany rehetra ny tendrombohitra Ziona eo amin’ny ilany avaratra, tanànan’ny Mpanjaka lehibe. Andriamanitra ao an-dapa ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo. Fa indro, nivondrona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy. Nijery izy ka talanjona erỳ, very hevitra ka nalaky nandositra. Hovitra no nahazo azy teo, tahaka ny fanaintainan’ny vehivavy eo am-piterahana; tamin’ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’i Tarsisy. Araka izay efa rentsika no hitantsika tao an-tanànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tao an-tanànan’Andriamanitsika: Mampitoetra azy mandrakizay Andriamanitra. Andriamanitra ô! Efa nieritreritra ny famindramponao tao anatin’ny tempolinao izahay. Tahaka ny anaranao, Andriamanitra ô, ny fiderana Anao hatrany amin’ny faran’ny tany. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana. Mifaly ny tendrombohitra Ziona ary miravoravo ny zanakavavin’i Joda noho ny fitsaranao. Manodidìna an’i Ziona ianareo; eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambo fiambenany, jereo tsara ny mandany, diniho ny lapany, mba hotantarainareo amin’ny taranaka ho avy. Fa izany no Andriamanitra, Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika mandra-pahafaty. Mihainoa izao, ry firenena rehetra; atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao, na ny kely, na ny lehibe, na ny manankarena, na ny mahantra! Hilaza fahendrena ny vavako ary hibitsika fahalalana ny foko. Hanongilana ny sofiko hihaino tononkalo aho ary hanazava teny saro-pantarina amin’ny alalan’ny lokanga. Nahoana aho no hatahotra amin’ny andro fahoriana nony manodidina ahy ny haratsiam-panahin’ny mpamingana? Matoky ny harenany ireny sady mirehareha amin’ny haben’ny fananany. Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny na afaka manome an’Andriamanitra izay vola hanavotany azy. Fa lafo ny takalon’ny ainy ka tsy takatra mandrakizay. Moa ho velona mandrakizay va izy ka tsy hiharan’ny fahalovana? Hita mantsy fa maty ihany ny olon-kendry ary ny adala sy ny kentrina koa dia samy lasa ka mamela ny fananany ho an’ny hafa. Heveriny fa haharitra mandrakizay ny tranony ary hahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny fonenany, satria izy no nanome anarana ny taniny. Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona dia tsy maharitra; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy. Izany no falehan’ny olona adala; finaritra amin’ny teniny ny taranany mandimby azy. Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ny fitoeran’ny maty, ny fahafatesana no mpiandry azy; hanosihosy azy ny olo-mahitsy nony maraina; ary ho levona ny bikany fa ny fitoeran’ny maty no fonenany. Fa Andriamanitra kosa no hanafaka ahy avy ao amin’ny fitoeran’ny maty, satria handray ahy Izy. Aza matahotra ianao raha misy olona tonga manankarena ka mitombo ny voninahitry ny tranony; fa tsy hitondra na inona na inona izy raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny. Afaka miarahaba tena izy raha mbola velona hoe: Midera anao ny olona fa manisy soa ny tenanao ianao. Mankany amin’ny razanao ianao, nefa ireny dia tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay. Izay olona manana voninahitra nefa tsy manan-tsaina dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty. Andriamanitra, NY TOMPO Andriamanitra, no miteny ka miantso ny tany hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany. Avy ao Ziona izay tanteraka amin’ny hatsaran-tarehy no amirapiratan’Andriamanitra. Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. Miantso ny lanitra any ambony sy ny tany koa Izy mba hitsarany ny olony: Angony etỳ Amiko ny olona mahatoky Ahy dia izay manao fanekena Amiko amin’ny fanatitra! Holazain’ny lanitra ny fahamarinany satria Andriamanitra no Mpitsara. Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; ry Israely ô, mihainoa fa hanambara aminao Aho: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao. Tsy ny fanatitrao no ananarako anao ary eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra dorana manontolo natolotrao. Tsy haka vantotra ombilahy ao amin’ny tranonao Aho na osilahy ao amin’ny valanao. Fa Ahy ny biby rehetra any an’ala sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra; fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra ary Ahy avokoa ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. Raha mba noana Aho dia tsy hilaza aminao fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Mihinana ny nofon’ny ombilahy va Aho na misotro ny ran’osilahy? Manolora fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao. Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana dia hanafaka anao Aho ka hanome voninahitra Ahy ianao. Hoy Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy: Nahoana ianao no mitanisa ny lalànako sy mitondra ny fanekeko eo am-bavanao? Nefa ianao dia mankahala fananarana sady arianao any ivohonao ny teniko! Raha mahita mpangalatra ianao dia faly hikambana aminy sady miray anjara amin’ny mpijangajanga. Avelanao hiteny ratsy ny vavanao sady mamorom-pitaka ny lelanao. Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao sady manendrikendrika ny zanaky ny reninao. Izany no nataonao nefa nangina ihany Aho. Dia noheverinao fa mitovy aminao ihany Aho nefa hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao. Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho ka tsy hisy hanafaka. Izay manolotra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao, vonoy ny fahadisoako! Sasao madio aho mba ho afa-keloka ary diovy aho mba ho afa-pahotana! Fa tsaroako ny fahadisoako ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Taminao dia taminao ihany no nanotako ary izay ratsy eo imasonao no nataoko, mba ho marina Ianao raha miteny ary tsy hanan-tsiny Ianao raha mitsara. Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy ary tamin’ny fahotana no notorontoronina ahy ny reniko. Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao ary fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy! Diovy amin’ny hisopa aho ho afa-pahotana dia hadio; sasao aho dia ho fotsy noho ny orampanala. Ampandreneso fifaliana sy faharavoana aho mba hifalian’ny taolana izay voavakivakinao. Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao ary tohàny fanahy mazoto aho! Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho, koa ny mpanota dia hiverina aminao. Vonjeo ho afaka amin’ny valin-dra aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, dia hihoby ny fahamarinanao ny lelako. Tompo ô, sokafy ny molotro dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana manontolo dia tsy mahafaly Anao. Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. Manaova soa amin’i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’i Jerosalema! Dia ho sitrakao ny fanatitra amim-pahamarinana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra levonina amin’ny afo ary hanatitra vantotra ombilahy eo amin’ny alitaranao ny olona. Nahoana no mandoka tena amin’ny fanaovan-dratsy ianao, ry ilay mahery? Ny famindrampon’Andriamanitra dia maharitra amin’ny andro rehetra. Loza no foronin’ny lelanao tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka! Tia ny ratsy noho ny tsara ianao ary ny lainga noho ny miteny ny marina. Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka. Andriamanitra kosa hanongana anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ny tanin’ny velona. Hijery ny marina dia hatahotra ka hihomehy azy hoe: Indro ny lehilahy izay tsy nanao an’Andriamanitra ho heriny fa natoky ny haben’ny harenany ka nikikitra tamin’ny faharatsiany. Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Matoky ny famindrampon’Andriamanitra mandrakizay doria aho. Hidera Anao mandrakizay aho satria Ianao no nanao izany, ary hanantena ny anaranao aho, eo anatrehan’ny olonao masina, satria tsara Ianao. Ny adala no manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. Avy eny an-danitra Andriamanitra no miondrika mijery ny zanak’olombelona mba hizaha raha misy hendry mitady an’Andriamanitra. Samy efa nivily lalana izy rehetra ka tonga nanao zava-betaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray akory aza. Tsy mahalala va ny mpanao ratsy? Mihinana ny oloko toy ny fihinanana mofo no sady tsy miantso an’Andriamanitra izy. Indreo, tonga feno tahotra ireny nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra hanely ny taolan’izay nitoby hamely anao; hampahamenatra azy ianao satria Andriamanitra efa nanary azy. Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin’Andriamanitra avy amin’ny fahababoana ny olony dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely. Vonjeo amin’ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao! Andriamanitra ô, henoy ny vavaka ataoko! Atongilano hihaino ny tenin’ny vavako ny sofinao! Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy ary mpampihorohoro no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’Andriamanitra ho eo anatrehany izy. Indro Andriamanitra no Mpamonjy ahy, ny Tompo no Mpanohana ahy. Hamaly ny ratsy ataon’ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy! An-tsitrapo no hanolorako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, TOMPO ô, fa tsara Ianao. Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ny fahoriana rehetra Ianao ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ny fahavaloko. Mihainoa ny vavaka ataoko, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ny fitarainako! Henoy aho ka valio! Miriorio ny eritreritro ka mitoloko aho noho ny feon’ny fahavalo sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy, fa manjera loza amiko ireny ary amin’ny fahatezerana no ankahalany ahy. Mangorohoro ato anatiko ny foko ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana. Tahotra sy hovitra no mahazo ahy ary manafotra ahy ny horohoro ka hoy aho: Enga anie ka hanana elatra tahaka ny voromailala aho! Dia hanidina aho ka hahita izay hitoerako. Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-tany efitra. Handeha haingana aho hamonjy fialofana mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra. Aringano izy ary saratsaraho ny fiteniny, Tompo ô! Fa mahita loza sy adilahy ao an-tanàna aho. Hodidininy andro aman’alina eny ambonin’ny mandany io; heloka sy fampahoriana no ao aminy; faharavana no ao anatiny ary ny fitaka sy ny fanangolena dia tsy mba miala amin’ny lalambeny. Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy, fa raha izany dia ho niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany dia ho niery azy aho. Fa ianao izay lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy tena sakaizako, dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao amin’ny tranon’Andriamanitra! Aoka hanampoka azy ny fahafatesana ary aoka hidina velona any amin’ny fitoeran’ny maty izy! Fa ratsy no ao amin’ny fonenany, ao afovoany ao. Raha izaho dia Andriamanitra no antsoiko ary NY TOMPO no hamonjy ahy. Hariva sy maraina ary mitataovovonana no itarainako sy itolokoako dia hihaino ny feoko Izy ka hanavotra ahy ho amin’ny fiadanana hahafahako amin’ny adin’ireny amiko, fa maro no miady amiko. Hihaino Andriamanitra izay mipetraka amin’ny sezafiandrianany hatrizay hatrizay. Hamaly ireo olona tsy miova toetra Izy, dia izay tsy matahotra an’Andriamanitra. Nanatsotra ny tanany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy; malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malefaka noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny. Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. Fa Ianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka lalina; ny mpandatsa-dra sy mpamitaka dia tsy hahatratra ny antsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona. Miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko! Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao. Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko? Mamily ny teniko mandrakariva ireny. Ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany. Mioko izy, mitily izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. Amin’izany faharatsiany izany, moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ny fahatezeranao ny firenena, Andriamanitra ô! Manisa ny firenireneko Ianao; ataovy an-tavoahanginao ny ranomasoko. Tsy ao amin’ny bokinao va ireny? Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao. Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra. Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; NY TOMPO no deraiko noho ny teniny. Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny olona amiko? Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanolotra fanati-pisaorana ho Anao. Fa efa nanafaka ahy tamin’ny fahafatesana Ianao; eny, nanafaka ny tongotro Ianao mba tsy ho solafaka, mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko! Fa Aminao no ialofako. Eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako mandra-pahalasa ny loza. Hitaraina amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’Andriamanitra izay manatanteraka ny asany ho ahy. Haniraka famonjena ho ahy avy any an-danitra Izy raha mbola miteny ratsy ny olona izay misafoaka manenjika ahy. Eny, Andriamanitra haniraka ny famindrampony sy ny fahamarinany. Eo afovoan’ny liona aho; mandry eo amin’ny mpihinana olona aho; lefona sy zana-tsipìka ny nifiny ary sabatra maranitra ny lelany. Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô! Aoka ho ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao! Namela fandrika harato haningotra ny diako izy ary nitanondrika aho; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho. Mifohaza, ry voninahitro! Mifohaza, ry valiha sy lokanga! Hampifoha ny maraina aho. Hidera Anao eny amin’ny firenena aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ny fokom-pirenena aho. Fa lehibe mihatra amin’ny lanitra ny famindramponao ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao. Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô! Aoka ho ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao! Moa ny tsy fitenenana va no ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara amin’ny fahitsiana va ianareo, ry zanak’olombelona? Tsy izany, fa minia mamorona tsy fahamarinana ianareo. Ny herisetra hataonareo eo amin’ny tany no lanjainareo amin’ny mizana. Mivily lalana hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga. Misy poizina tahaka ny an’ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadìny izy, izay tsy mihaino ny feon’ny mpandrenoka bibilava, na dia izay mpandrenoka mahay indrindra aza. Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny ao am-bavany! Omboty ny vazan’ny liona tanora, TOMPO ô! Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy! Raha aatrany ny zana-tsipìkany dia aoka ho tapa-doha ireny! Aoka ho tahaka ny lelosy izay miha levona eny am-pandehanana izy; aoka ho tahaka ny zaza vakimanta izay tsy mahita masoandro izy. Dieny tsy mbola mafanan’ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina. Hifaly ny marina raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ny ran’ny ratsy fanahy izy. Dia hiteny ny olona hoe: Misy valisoa tokoa ho an’ny marina; Misy tokoa Andriamanitra izay mitsara etỳ ambonin’ny tany. Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ny avo aho mba tsy ho azon’izay mikomy amiko! Afaho amin’ny mpanao ratsy aho ary vonjeo ho afaka amin’ny mpandatsa-dra! Fa indro, manao vela-pandrika hahazo ny aiko izy; misy olo-mahery mioko hamely ahy, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, TOMPO ô! Tsy misy heloko, nefa miomana hamely ahy izy; koa mifohaza hitsena ahy ka jereo! Ary Ianao, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely ô, mifohaza hitsara ny firenena rehetra! Aza mamindra fo amin’izay mpivadika sady ratsy fanahy! Miverina ireny nony ny hariva ka mierona tahaka ny alika sady mandehandeha manerana ny tanàna. Indro, mirezadrezatra amin’ny vavany izy; sabatra no eo amin’ny molony; fa iza, hono, no handre? Kanjo Ianao, TOMPO ô, hihomehy azy; Ianao haneso ny firenena rehetra. Noho ny herin’ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. Andriamanitra izay mamindra fo amiko no hialoha ahy; hataon’Andriamanitra faly mijery ny amin’ny fahavaloko aho. Aza vonoinao izy, fandrao hanadino izany ny fireneko; ampirenireneo amin’ny herinao izy ka aripaho, ry Tompo, ampinganay, ô. Ny fahotan’ny vavany dia ny tenin’ny molony; aoka ho voasambotry ny fireharehany ihany izy; eny, noho ny ozona sy ny lainga teneniny! Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy hisy intsony izy! Aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’i Jakoba ka hatramin’ny faran’ny tany. Miverina ireny nony hariva ka mierona tahaka ny alika sady mandehandeha manerana ny tanàna. Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy dia any ihany mandritra ny alina. Fa izaho kosa dia hihira ny herinao ary hihoby ny famindramponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Ianao ary fandosirako amin’ny andro fahoriana. Ry Heriko ô, Ianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra izay mamindra fo amiko. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Ianao, efa tezitra Ianao, velombelomy izahay! Efa nampihorohoro ny tany Ianao ka nampitresaka azy. Amboary izay rava aminy fa mihozongozona izy! Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Ianao ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky. Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao mba hatsangany noho ny fahamarinana. Mba hahafahan’ny malalanao dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho ka valio! Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinany hoe: Handresy Aho ka hizara an’i Sekema ary ny lohasahan’i Sokota dia horefesiko. Ahy i Gileada, Ahy koa i Manase; aron’ny lohako i Efraima; tehim-panjakako i Joda. I Moaba dia fitoeran-drano fisasana ho Ahy; eo amin’i Edoma no anipazako ny kapako; mihorakoraha hiady Amiko, ry tanin’ny Filistina! Iza no hitondra ahy ho any amin’ny tanàna mafy? Iza no hitarika ahy hatrany Edoma? Tsy Ianao va, Andriamanitra ô, izay nanary anay? Sady tsy nandeha niaraka tamin’ny antokon’ny miaramilanay, Andriamanitra ô? Vonjeo amin’ny mpandrafy izahay! Fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona. Amin’Andriamanitra no hahavitantsika fandresen-dehibe; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; atongilano ny sofinao amin’ny vavaka ataoko! Avy atỳ am-paran’ny tany no iantsoako Anao fa reraka ny foko. Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo loatra ka tsy tratrako. Fa fialofako Ianao ary tilikambo fiambenana mafy handosirako ny fahavalo. Te hitoetra ao an-dainao mandrakizay aho ka hialoka ao ambanin’ny elatrao. Fa Ianao, Andriamanitra ô, efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’izay matahotra ny anaranao. Halavao ny andron’ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro! Aoka hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay izy! Famindrampo sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay mba hanefako isanandro ny voadiko! Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona? Misaina hanongana azy hiala amin’ny toerany ambony ireny; lainga no ifaliany. Misaotra amin’ny vavany izy nefa manozona amin’ny fony. Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko, fa Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, fiarovana avo ho ahy ka tsy mba hangozohozo aho. Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny fialofako dia ao amin’Andriamanitra. Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona! Loary eo anatrehany ny fonareo! Andriamanitra no fialofana ho antsika. Entona fotsiny ny zanak’i Adama ary lainga ny zanak’olombelona; raha atao amin’ny mizana izy rehetra dia maivana noho ny entona. Aza miankina amin’ny fanaovana an-keriny ary aza manantena ny zavatra azo tamin’ny halatra; raha mitombo ny harena dia aza anorenana ny fonareo. Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: An’Andriamanitra ny hery. Anao koa, Tompo ô, ny famindrampo, fa Ianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy. Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano. Izany no ijereko Anao ao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro dia hidera Anao. Izany no hisaorako Anao raha mbola velona koa aho; amin’ny anaranao no hanandratako ny tanako. Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ny fanahiko ary amin’ny molotra ravoravo no hideran’ny vavako Anao. Rehefa mahatsiaro Anao eo am-pandrianako aho dia mieritreritra Anao amin’ny fotoam-piambenana alina. Fa famonjena ahy Ianao ary ao amin’ny aloky ny elatrao no hihobiako. Mifikitra Aminao ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ny tenany; hiditra any ambanin’ny tany izy; hatolotra ho amin’ny herin’ny sabatra izy; ho anjaran’ny amboahaolo izy. Fa ny mpanjaka dia hifaly amin’Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, fa hakombona ny vavan’izay rehetra mandainga. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô! Arovy ny aiko amin’ny tahotro ny fahavalo! Afeno aho tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy sy ny fitabataban’ny mpanao ratsy izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy, mba hitifirany mangingina ny mahitsy fo; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra akory. Mifampirisika amin’ny teti-dratsiny izy; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka miteny hoe: Iza no hahita izany? Mamorona teti-dratsy izy: Efa vonona izao ny tetika! Hady lalina ny ao anatin’ny olombelona, dia ny fony. Mitifitra azy amin’ny zana-tsipìka anefa Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ny zana-tsipìka no fahavoazany. Apotrany izy ka ny lelany ihany no nahasingotra azy; mihifikifi-doha izay rehetra mahita azy. Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny asan’Andriamanitra sady mandinika tsara ny ataony. Mifaly amin’NY TOMPO ny marina ka mialoka Aminy; eny, hirehareha amin’izany ny mahitsy fo rehetra. Ho Anao ny fahanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary Aminao no anefana ny voady. Ry Mpihaino vavaka ô, Ianao no hohatonin’ny nofo rehetra. Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Ianao no mamela ny fahadisoanay. Sambatra izay fidinao sy ampanatoninao mba hitoetra eo an-kianjanao! Ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao. Zava-mahatahotra no ataonao amin’ny fahamarinana ho valin’ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ny faran’ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny! Mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy. Mampitsahatra ny firohondrohon’ny onjan-dranomasina sy ny fitabataban’ny firenena Izy. Dia matahotra noho ny famantarana ataonao ny mponina any am-paran’ny tany; fenoinao hoby ny any amin’ny fiposahan’ny maraina sy ny hariva. Mamangy ny tany Ianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Ianao; ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano; manomana vary ho an’ny olona Ianao. Izany no fanomananao ny tany. Mahampoka ny tany voaasa Ianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Ianao. Satrohanao voninahitra ny taonan’ny fitahianao; ny dianao dia mitete menaka. Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-tany efitra ary misikina fifaliana ny havoana. Rakotra ondry ny saha ary voasarona vary ny lohasaha: Mihoby izy; eny, mihira koa. Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra! Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy! Lazao amin’Andriamanitra hoe: Endre, mahatahotra ny asanao! Ny fahalehibiazan’ny herinao no ikoizan’ny fahavalonao Anao. Ny tany rehetra dia hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. Avia ka jereo ny asan’Andriamanitra! Mahatahotra ny zavatra ataony amin’ny zanak’olombelona. Nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’Andriamanitra. Manjaka mandrakizay amin’ny heriny Izy ary ny masony dia mandinika ny firenen-tsamihafa: Aoka tsy hanandra-tena ny maditra! Misaora an’Andriamanitsika, ry firenena, ary asandrato ny feo fiderana Azy. Izy no mampitoetra antsika amin’ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. Fa efa nizaha toetra anay Ianao, Andriamanitra ô, efa nanadio anay Ianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Nampiditra anay tao amin’ny fandrika harato Ianao, nanisy enta-mavesatra teo an-damosinay Ianao, nampandeha olona hanitsaka ny lohanay Ianao, nandeha namakivaky ny afo sy ny rano izahay, nefa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao. Hiditra ao amin’ny tranonao mitondra fanatitra dorana manontolo aho, hefaiko Aminao ny voadiko izay notononin’ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Hatolotro ho fanatitra dorana manontolo ho Anao ny matavy mbamin’ny setroky ny ondrilahy. Hanatitra omby sy osilahy aho. Avia, mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa hotantaraiko izay nataony tamiko. Izy no nantsoin’ny vavako ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ny lelako. Raha toa ka nankasitraka ota tao am-poko aho dia tsy mba ho nihaino ny Tompo; kanefa nihaino tokoa Andriamanitra nanongilan-tsofina tamin’ny feon’ny vavaka nataoko Izy. Isaorana anie Andriamanitra izay tsy nandà ny vavaka nataoko na nanaisotra ny famindrampony tamiko. Andriamanitra anie hamindra fo amintsika sy hitahy antsika, hampamirapiratra ny tavany amintsika anie Izy! Mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao ary any amin’ny firenena rehetra ny famonjenao! Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra! Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamihafa satria mitsara marina ny firenena Ianao, ny firenen-tsamihafa ambonin’ny tany dia tarihinao. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Ny tany dia nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika. Mitahy antsika Andriamanitra ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra. Aoka hitsangana Andriamanitra ka hiely ny fahavalony ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ny savoka eo anoloan’ny afo no aoka hahalevonan’ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra. Fa mifaly ny marina; eny, ravoravo eo anatrehan’Andriamanitra izy, mihoby sy mifaly izy! Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany! Manamboara lalana ho an’Izay mitaingina ny kalesiny mamakivaky ny tany efitra! NY TOMPO no anarany. Miravoravoa eo anatrehany! Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina. Andriamanitra mampitoetra an-trano izay manirery, mamoaka ny mpifatotra ho amin’ny fanambinana Izy; fa ny maditra irery no hitoetra amin’ny tany karankaina. Andriamanitra ô, fony Ianao nandeha teo alohan’ny olonao ka namakivaky ny tany efitra dia nihorohoro ny tany ary nitaitaika ny lanitra tamin’ny fanatrehan’Andriamanitra, dia irỳ Sinay irỳ izany, tamin’ny fanatrehan’Andriamanitra, Andriamanitry ny Israely. Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ny lovanao, Andriamanitra ô! Ary raha kotsa izy dia novelombelominao. Ny olonao dia monina ao; mamponina ny ory araka ny fahasoavanao Ianao, Andriamanitra ô. Ny Tompo manome teny ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe: Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo. Raha mandry any amin’ny vala ianareo, ny ela-boromailala dia miravaka volafotsy ary ny volony dia miravaka volamena. Tamin’ny nanelezan’ny Tsitoha ny mpanjaka maro dia latsaka tao Zalmona ny orampanala. Tendrombohitr’Andriamanitra ny tendrombohitr’i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’i Basana. Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mialona ny tendrombohitra izay tian’Andriamanitra itoerana? Eny, hitoetra ao mandrakizay NY TOMPO. Ny kalesin’Andriamanitra dia an’arivo sy an’alinalina; Ny Tompo no eo amin’ireo; i Sinay dia eo amin’ny fitoerana masina. Niakatra ho any amin’ny avo Ianao ka nitondra babo; nandray fanomezana teo amin’ny olombelona Ianao; eny, teo amin’ny maditra aza mba hitoeran’NY TOMPO Andriamanitra any. Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; an’NY TOMPO Andriamanitra ny fanafahana amin’ny fahafatesana. Fa Andriamanitra manapotika ny lohan’ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’izay mandroso amin’ny fahadisoany. Hoy ny Tompo: Hampody ny any Basana Aho; hampody ny avy amin’ny ranomasina lalina Aho, mba hampihosenanao ra ny tongotrao ary ny fahavalo ho anjaran’ny lelan’ny amboanao. Hita ny filaharan’ny olonao, Andriamanitra ô, dia ny fiavianao, Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ny fitoerana masina. Mialoha ny mpihira, manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ny zatovovavy mively ampongatapaka. Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana; eny, misaora NY TOMPO, ianareo avy amin’ny loharanon’ny Israely. Indrỳ i Benjamina izay zandriny indrindra ary mitari-dalana azy, ny antokon’ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly. Andriamanitrao no nandidy mba hahery ianao. Andriamanitra ô! Asehoy ny herinao amin’izay nataonao ho anay, avy ao amin’ny tempolinao eo an-tampon’i Jerosalema izay itondran’ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao. Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ny ombilahy mbamin’ireo andian-janak’omby, dia izay miankohoka manolotra anjam-bolafotsy. Aelezo ny olona tia ady. Ho avy ny tremalahin’i Ejipta; I Kosy dia halaky hananty tanana amin’Andriamanitra. Ianareo fanjakana ambonin’ny tany, mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Tompo. Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola, indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. Ekeo ho an’Andriamanitra ny hery; ambonin’ny Israely ny voninahiny ary ny heriny dia eny amin’ny rahona. Mahatahotra Ianao, Andriamanitra ô, ao amin’ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Israely no manome hery sy tanjaka ho an’ny firenena. Isaorana anie Andriamanitra. Vonjeo aho, Andriamanitra ô, fa efa mihatra amin’ny aiko ny rano. Milentika amin’ny fotaka mandrevo aho ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ny rano lalina aho ka mandifotra ahy ny riaka. Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko raha miandry an’Andriamanitro aho. Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy tsy amin’antony. Mahery izay ta hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy amin’antony; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy. Andriamanitra ô, Ianao mahalala ny hadalako ary ny heloko tsy mba miafina Aminao. Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay olona miandry Anao, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô! Aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay olona mitady Anao, ry Andriamanitry ny Israely ô. Fa noho ny Aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako. Efa tonga vahiny amin’ny rahalahiko aho; eny, tonga olon-ko azy amin’ny zanak’Ineny aho. Fa ny firehetako ny amin’ny tranonao no naha ritra aina ahy ary ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany. Akanjo fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ireny aho. Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady ary ataon’ny mpisotro toaka an-kira aho. Fa izaho dia hivavaka Aminao amin’ny andro fankasitrahana, TOMPO ô, dia Aminao, Andriamanitra ô, noho ny haben’ny famindramponao! Valio aho araka ny hamarinan’ny famonjenao! Afaho amin’ny fotaka aho ka aza avela hilentika! Vonjeo amin’izay mankahala ahy sy amin’ny rano lalina aho! Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina, ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana! Valio aho, TOMPO ô, fa tsara ny famindramponao; todiho aho, araka ny haben’ny antranao ary aza manafina ny tavanao amin’ny mpanomponao! Fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Ianao! Hatòny aho ka avoty! Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ny fahavaloko! Ianao no mahalala ny latsa mihatra amiko sy ny fahamenarako ary ny fahafaham-boninahitro; eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra. Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka aho; niandry antra aho nefa tsy nisy, ary mpampionona nefa tsy nahita. Fa zava-mangidy no nomeny hohaniko ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina raha nangetaheta aho. Aoka ho tonga fandrika ho azy ny latabatra eo anoloany ary ho tonta ho azy ny fiadanam-piainany! Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita ary ampangozohozoy mandrakariva ny lamosiny! Aidino aminy ny fahatezeranao ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ny fahaviniranao! Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy! Fa izay efa nasianao no nenjehiny ary ny fahararian’ny efa voatsindronao dia lazalazainy. Aoka hiampy ny helony ary aoka tsy hiditra amin’ny fahamarinanao izy! Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ny bokin’ny velona ny anarany ary aoka izy tsy hosoratana miaraka amin’ny marina! Fa izaho dia ory sy mijaly, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy! Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny hira aho ary hidera Azy amin’ny fisaorana. Fa izany dia ho sitraky NY TOMPO mihoatra noho ny vantotra ombilahy izay manan-tandroka sady mivaky kitro. Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra. Fa mihaino ny mahantra NY TOMPO, ary tsy mba hataony tsinontsinona ny olony mifatotra. Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy! Fa Andriamanitra hamonjy an’i Ziona sady hanangana ny tanànan’i Joda ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony, dia handova azy ny taranaky ny mpanompony ary hitoetra ao izay tia ny anarany. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy! Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ny manjo ahy! Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay miteny hoe: Hia! Akory izay! Aoka hifaly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Ary aoka izay tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Hankalazaina anie Andriamanitra! Fa izaho dia ory sy mahantra. Faingàna hankaty amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao. Aza ela, TOMPO ô! Ianao, TOMPO ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho! Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho ka afaho! Atongilano amiko ny sofinao ka vonjeo aho! Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Ianao izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao! Ry Andriamanitro ô, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, dia amin’ny tanan’ny mpanao meloka sy mpanao herisetra! Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no namoaka ahy avy tany an-kibon’ny reniko; Ianao no deraiko mandrakariva. Tonga toy ny zava-mahagaga eo imason’ny maro aho; nefa Ianao no fialofana azo antoka ho ahy. Ny vavako dia ho feno ny fiderana Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva. Aza manary ahy amin’ny andron’ny fahanterako; aza mahafoy ahy raha mihaketraka ny heriko. Fa miresaka ahy ny fahavaloko ary miara-mioko izay miambina hahazo ny aiko ka miteny hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy! Enjeho izy ka sambory fa tsy misy hanafaka azy. Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Ry Andriamanitro ô, faingàna hamonjy ahy. Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy. Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva ary hitombo lalandava ny fideràko Anao. Ny vavako dia hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro intsony ny isany. Ho avy amin’ny asa lehibe nataon’NY TOMPO Andriamanitra aho, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. Andriamanitra ô, Ianao no nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora, ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagagana nataonao aho. Koa na dia efa antitra sy fotsy volo aza aho dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mba hahazoako manambara ny herinao amin’izao taranaka izao sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy; mihatra amin’izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? Ianao izay nampahita anay fahoriana be sady mafy no hamelona anay indray ka hampiakatra anay indray hiala avy amin’ny toerana lalina amin’ny tany. Ampitomboy ny voninahitro ary aoka hampionona ahy indray Ianao! Izaho kosa dia hidera Anao amin’ny valiha, dia ny fahamarinanao, ry Andriamanitro ô, hankalaza Anao amin’ny lokanga aho, ry Iray Masin’ny Israely ô! Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao ary ny fanahiko koa, izay navotanao. Ny lelako koa dia hitory ny fahamarinanao mandrakariva, fa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka ny fitsaranao ary omeo ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao! Aoka izy hitsara ny olonao amin’ny fahamarinana ary ny malahelonao amin’ny fahitsiana. Ny tendrombohitra dia hahavokatra fiadanana ho an’ny olona; eny, ny havoana koa, amin’ny fahamarinana. Aoka izy hitsara ny ory eo amin’ny vahoaka sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory. Hatahotra anao ny olona raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Hidina tahaka ny ranonorana amin’ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ny tany. Ny marina dia hitrebona amin’ny androny ary ho be ny fiadanana mandra-paha tsy hisy volana intsony. Hanapaka hatrany amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray izy ary hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny faran’ny tany. Ny mponina any an-tany efitra dia handohalika eo anatrehany ary ny fahavalony dia hilelaka ny vovoka. Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny nosy dia handoa hetra; ny mpanjakan’i Sheba sy Seba dia hanatitra fanomezana. Ny mpanjaka rehetra dia hiankohoka eo anatrehany ary ny firenena rehetra dia hanompo azy. Fa hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy izy; hiantra ny madinika sy ny mahantra izy ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra azy amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy ary ho sarobidy eo imasony ny rany. Aoka ho velona izy ary aoka homena volamena avy any Sheba izy! Aoka hisy fifonana ho azy mandrakariva ary aoka hotsofindrano isanandro izy! Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza, hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany, ary hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ny tany ny ao an-tanàna. Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro dia haharitra ny anarany. Izy no ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra dia hanao azy hoe sambatra. Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitra, Andriamanitry ny Israely; Izy irery ihany no manao fahagagana! Isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza! Ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny! Amena! Eny, Amena! Tapitra ny vavaka nataon’i Davida zanak’i Jese. Eny, marina tokoa fa Andriamanitra dia tsara amin’ny Israely, dia amin’izay madio fo. Fa izaho dia saika nibolasitra ny tongotro; saika solafaka ny diako satria nialona ny mpirehareha aho raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy. Fa tsy mba misy fanaintainana amin’ny fahafatesany ary fatratra ny heriny. Tsy mba misy manavesatra azy tahaka ny olona rehetra ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy. Noho izany dia ny fireharehana no rojo iambozonany ary ny fanaovana an-keriny no lamba itafiany. Bongon-tavy ny masony; mihoa-pampana ny hevitra avy ao am-pony. Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana sy fanaovana an-keriny; avo vava izy; manao vava manakatra ny lanitra izy ary ny lelany dia mandeha mitety ny tany. Izany no itodihan’ny olony hankany aminy. Ranobe no gohin’ireny ka hoy izy: Hataon’Andriamanitra ahoana no fahalala? Ary moa mba misy fahalalana ao amin’ny Avo Indrindra? Indro ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena. Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasako ny tanako tamin’ny tsy fananan-tsiny. Voakapoka mandritra ny andro aho ary faizina isa-maraina. Raha toa ka niteny aho hoe: Hiteny sahala aminy aho, dia ho namitaka ireo zanakao. Dia nieritreritra aho mba hahafantatra izany zavatra izany, kanjo sarotra tamiko izany, mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra ka azoko an-tsaina ny zavatra miandry azy. Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy ary aripakao ho ringana izy. Akory izay! Rava indray mipy maso izy, levona izy, matin’ny zava-mahatahotra! Tahaka ny anaovan’ny olona ny nofiny ho tsinontsinona dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ireny ho tsinontsinona, rehefa mifoha Ianao. Raha lotika ny foko ka voatsindrona ny voako dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, toy ny biby teo anatrehanao aho. Nefa izaho dia eo Aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako havanana Ianao. Ny saina omenao no itarihanao ahy ary rehefa afaka izany dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho. Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy etỳ ambonin’ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra. Fa indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Ianao, no sady manetroka amin’ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao? Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao ho fananana fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrombohitra Ziona izay nonenanao. Aingao ny tongotrao ka miakara ho amin’ny voarava mandrakizay! Ny zavatra rehetra tao amin’ny fitoerana masina dia simban’ny fahavalo avokoa. Nierona tao anatin’ny toeram-pivorian’ny fiangonanao ny mpandrafy Anao; nanangana ny fanevany ho famantarana izy. Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka; ary ankehitriny, ny rafitra voasokitra rehetra ao dia nasiany ny famaky sy ny kanonta. Nandoro ny fitoeranao masina tamin’ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin’ny tany ny fonenan’ny anaranao. Hoy izy anakampo: Aoka hampahorintsika izy rehetra! Nandoro izay rehetra toerana fihaonana amin’Andriamanitra manerana ny tany izy. Tsy hitanay intsony ny famantaranay; tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’izao. Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo? Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Ianao? Mampialà azy amin’ny tratranao ka mandringàna! Andriamanitra anefa no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin’ny tany Izy. Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao, Ianao no namakivaky ny lohan’ny dragona tao anaty rano. Ianao no nanorotoro ny lohan’ny leviatana ka nanome azy hohanin’izay firenena any an-tany efitra. Ianao no namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Ianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra. Anao ny andro, anao koa ny alina; Ianao no nampitoetra ny volana sy ny masoandro. Ianao no nametraka ny sisiny rehetra amin’ny tany; ny fahavaratra sy ny ririnina dia Ianao no namolavola azy. Tsarovy izao: Manaratsy NY TOMPO ny fahavalo ary manamavo ny anaranao ny olona adala. Aza manolotra ny ain’ny voromailalanao ho an’ny bibidia ary aza manadino mandrakizay ny ain’ny olo-mahantranao. Hevero ny fanekena! Fa feno fonenan’ny fanaovana an-keriny ny toerana maizina amin’ny tany. Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra! Aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao! Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao! Tsarovy ny fanaratsian’ny adala Anao mandritra ny andro! Aza manadino ny feon’ny rafinao, dia ny tabataba izay miakatra mandrakariva avy amin’ireo mpanohitra Anao! Isaoranay Ianao, Andriamanitra ô; eny, isaoranay Ianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona. Amin’ny fotoana voatendriko dia Izaho no hitsara marina. Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nampiorina ny andriny. Hoy aho tamin’ny mpirehareha: Aza mirehareha! Ary tamin’ny ratsy fanahy: Aza manandra- tandroka! Aza manandratra ny tandrokareo ho avo ary aza mikiribiby amin’ny fiteny an’avona. Fa tsy avy any atsinanana na avy any andrefana na avy any atsimo na avy any amin’ny tendrombohitry ny tany efitra no hiavian’ny fisandratana. Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny iray Izy ary manandratra ny iray hafa kosa. Fa misy kapoaka eo an-tanan’NY TOMPO, feno divay mandroatra, miharoharo zavatra iny ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany dia hitroka ny faikany. Fa hanambara izany mandrakariva aho ka hankalaza an’Andriamanitr’i Jakoba. Ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra dia hotapahiko; ny tandroky ny marina dia hasandratra. Andriamanitra dia fantatra ao amin’ny Joda; malaza eo amin’ny Israely ny anarany; naoriny ao Salema ny tranolainy ary ao Ziona ny fonenany. Tao no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatselatra, ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. Mamirapiratra Ianao sady be voninahitra, mihoatra noho ny tendrombohitra mandrakizay. Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; samy tsy nahahetsika ny tanany avokoa ny lehilahy mahery rehetra. Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’i Jakoba, dia sondrian-tory na ny kalesy fitondra miady na ny soavaly. Ianao, Ianao no mahatahotra! Koa iza no mahajanona eo anatrehanao rehefa miseho ny fahatezeranao? Avy tany an-danitra no nampandrenesanao ny didim-pitsarana; raiki-tahotra ny tany ka sina rehefa nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ny tany. Ny fahatezeran’ny olona aza midera Anao; isikinanao ny fahatezerana sisa. Manaova voady amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ka efao ny voadinareo! Aoka izay rehetra manodidina Azy hanolotra fanatitra ho an’Izay mahatahotra. Manapitra ny fofonain’ny mpitondra Izy, ary Izy no tahotry ny mpanjakan’ny tany. Ny feoko dia mankany amin’Andriamanitra ka mitaraina aho; eny, ny feoko dia mankany amin’Andriamanitra ka manongilan-tsofina amiko Izy. Amin’ny andro fahoriako no itadiavako ny Tompo; misandratra mandritra ny alina ny tanako fa tsy vizana; ny fanahiko dia tsy mety ampiononina. Mahatsiaro an’Andriamanitra aho ka misento; te hieritreritra aho, reraka ny fanahiko. Tsy avelanao hahita torimaso aho; mitebiteby aho ka tsy mahateny. Mihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela. Mahatsiaro ny hirako tamin’ny alina aho; mamadibadika ao am-poko aho ary ny fanahiko dia manontany hoe: Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy? Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindrampony? Efa tapitra tsy ho an’ny taranaka rehetra va ny teniny? Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantrany? Hoy aho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ny tanana ankavanan’ny Avo Indrindra. Hampahatsiaro ny asan’NY TOMPO aho fa mahatsiaro ny fahagagana nataonao fahiny. Eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao. Andriamanitra ô, amin’ny fahamasinana ny lalanao. Iza no andriamanitra lehibe tahaka an’Andriamanitra? Ianao no Andriamanitra izay manao fahagagana; nampahafantatra ny herinao teny amin’ny firenena Ianao. Navotan’ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’i Jakoba sy i Josefa. Nahita Anao ny ranobe, Andriamanitra ô, nahita Anao ny ranobe ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina. Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao. Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia miaraka amin’ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny tselatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany. Tany amin’ny ranomasina ny lalanao ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. Tamin’ny tanan’i Mosesy sy i Arona no nitarihanao ny olonao toy ny andian’ondry. Henoy ny fampianarako, ry oloko! Atongilano ny sofinareo amin’ny tenin’ny vavako. Hiloa-bava hilaza fanoharana aho! Hanonona ankamantatra efa hatry ny ela aho. Izay efa rentsika sy fantatsika ary nambaran’ny razantsika tamintsika dia tsy mba hafenintsika amin’ny zanany, fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana NY TOMPO sy ny heriny ary ny fahagagana nataony. Fa nanorina teny vavolombelona teo amin’i Jakoba Izy ary teo amin’ny Israely no nametrahany lalàna izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany, mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka, ka hitsangana hitory izany amin’ny zanany kosa. Hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra izy ka tsy hanadino ny asany fa hitandrina ny didiny; tsy ho tahaka ny razany izay taranaka maditra sy mpiodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiorina ny fony sady tsy marina tamin’Andriamanitra ny fanahiny. Ny zanak’i Efraima izay nitondra tsipìka hitifirany dia niamboho tamin’ny andron’ny ady. Tsy nitandrina ny faneken’Andriamanitra izy ary tsy nety nandeha araka ny lalànany. Nohadinoiny ny asany sy ny fahagagana izay nampahitany azy. Teo anatrehan’ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ny tany Ejipta, dia tany amin’ny tany lemak’i Zoana. Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijoro ny rano ho toy ny antontan-javatra. Tamin’ny rahona no nitarihany azy raha antoandro ary afo mahazava nony alina. Namaky vatolampy tany an-tany efitra Izy ka nampigoka azy tahaka ny tamin’ny ranon’ny lalina. Nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony. Kanjo mbola nandroso nanota Taminy ihany izy ireo ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-tany efitra. Naka fanahy an’Andriamanitra tao am-pony izy tamin’ny nilany hanina araka izay nahaliana azy. Dia niteny nanohitra an’Andriamanitra izy hoe: Mahay mamelatra latabatra atỳ an-tany efitra va Andriamanitra? Indro, nikapoka ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ny olony va Izy? Nony ren’NY TOMPO izany dia tezitra Izy; nisy afo nirehitra tamin’i Jakoba sady nisy fahatezerana namely an’Israely, satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny. Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy ary ny varavaran’ny lanitra no novohany, dia nampirotsaka mana taminy mba hohaniny Izy ary varin’ny lanitra no nomeny azy. Ny fihinan’ny mahery no nohanin’ny olona; nandefasany hanina hahavoky azy izy. Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo; dia nampilatsahany hena betsaka ohatra ny vovoka izy sy voromanidina ohatra ny fasiky ny ranomasina ka nalatsany teny afovoan’ny tobiny manodidina ny fitoerany. Dia nihinana izy ireo ka voky tsara ary izay nilainy dia nomeny azy. Nefa tsy niala tamin’ny filany izy ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny raha nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy ary naripany ny zatovolahin’ny Israely. Tamin’izany rehetra izany anefa dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony. Dia nanapitra ny androny tao anatin’ny zava-poana Izy ary ny taonany tao amin’ny horohoro. Rehefa nisy novonoiny tamin’ireo dia nitady Azy izy dia niverina, dia nikatsaka Azy fatratra. Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no vatolampiny ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy. Kanefa namitaka Azy tamin’ny vavany ireo ary tamin’ny lelany no nandaingany Taminy. Ny fony dia tsy niorina Taminy akory; eny, tsy nitana ny fanekeny izy. Nefa Andriamanitra dia be famindrampo ka mamela heloka fa tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany. Nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony. Impiry akory izy ireo no efa nikomy Taminy tany an-tany efitra ka nampalahelo Azy tany an-tany foana! Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Israely. Tsy mba tsaroany ny namonjeny azy, na ny andro izay nanavotany azy tamin’ny fahavalo, izay nanaovany famantarana tany Ejipta sy fahagagana tany an-tany lemak’i Zoana: Nampody ny oniny ho ra Izy ary ny reniranony dia tsy azony nisotroana. Nandefa fihitra betsaka hamely azy Izy ka nandany azy ireny ary sahona ka nanimba azy ireny. Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ny sompanga Izy ary ny vokatry ny asany ho an’ny valala. Namono ny voalobony tamin’ny havandra Izy ary ny aviaviny tamin’ny havandra vaventy. Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ny havandra Izy ary ny omby aman’ondriny ho an’ny varatra. Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy; eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely maro mitondra loza. Nanamboatra lalana ho an’ny fahatezerany Izy ary tsy niaro ny ain’ireo tamin’ny fahafatesana, fa nanolotra azy ho lanin’ny areti-mandringana. Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta Izy, dia ny voalohan-terany tany an-dain’i Hama. Namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy ary nitarika azy tany an-tany efitra toy ny andian’ondry. Notarihiny tamim-piadanana izy ireo ka tsy mba natahotra, fa ny fahavalony kosa dia voasaron’ny ranomasina. Nitondra azy ho any amin’ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ny tanany ankavanana. Nandroaka ny Jentilisa teo anoloany Izy ka nanome ny tanin’ireny ho lova nozaraina tamin’ny kofehy fandrefesana, dia nampitoetra ireo fokon’ny Israely tao an-dainy avy. Nefa naka fanahy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy ary tsy notandremany ny teny vavolombelony. Nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany dia nania tahaka ny tsipìka mamitaka ny mpampiasa azy. Nampahatezitra Azy tamin’ny toerana fanaovany sorona izy sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra. Nandre izany Andriamanitra dia tezitra ka nolaviny mihitsy ny Israely sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny tranolay izay naoriny teo amin’ny olona; natolony ho babo ny heriny ary ho eo an-tanan’ny fahavalo ny voninahiny. Dia nanolotra ny olony ho an’ny sabatra Izy ary tezitra indrindra tamin’ny lovany. Ny zatovolahiny dia lanin’ny afo ary ny zatovovaviny dia tsy mba nisy nidera. Lavon-tsabatra ny mpisorony, nefa tsy nisaona ny mpitondratenan’ireo. Dia nifoha tahaka ny olona avy natory ny Tompo, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ny divay. Namely ny fahavalony avy ao aorianany Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay. Nanary ny tranolain’i Josefa Izy ary tsy nofidiny ny fokon’i Efraima. Fa nifidy ny fokon’i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany. Nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay. Nifidy an’i Davida mpanompony Izy ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry; tany amin’ny fiandrasany ny ondrivavy mampinono no nakany azy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Israely lovany. Dia niandry ireo tamin’ny hitsim-po izy ka nitondra azy araka ny fahendren’ny tanany. Andriamanitra ô, tonga eto amin’ny lovanao ny Jentilisa ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an’i Jerosalema ho korontam-bato. Ny fatin’ny mpanomponao dia nomeny hohanin’ny voromanidina ary ny nofon’ny olonao masina ho an’ny bibidia; ny rany dia naidiny manodidina an’i Jerosalema tahaka ny rano ary tsy nisy nandevina azy. Tonga fandatsan’ny mpiaramonina izahay sady faneso sy fanakoran’izay manodidina anay. Mandra-pahoviana, TOMPO ô, no hanontolo fo Ianao ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaronao? Aidino amin’ny Jentilisa izay tsy mahalala Anao sy amin’ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao ny fahatezeranao! Fa efa nandany an’i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany. Aza tsarovanao ny helokay taloha! Aoka ho avy haingana hitsena anay ny fiantranao! Fa reraka loatra izahay. Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao! Afaho izahay ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao! Nahoana ny Jentilisa no hiteny hoe: Aiza izay Andriamaniny? Aoka ho fantatra any amin’ny Jentilisa, eo imasonay, ny famaliana ny ran’ny mpanomponao izay nalatsaka. Aoka ho tonga eo anatrehanao ny senton’ny mpifatotra! Araka ny halehiben’ny sandrinao dia arovy tsy ho faty izay voaheloka ho faty! Valio impito heny ho ao ampofoan’ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nataony Anao, Tompo ô! Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin’ny taranaka fara aman-dimby no hilazanay ny fiderana Anao. Ry Mpiandry ny Israely ô, mihainoa, Ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny andian’ondry! Ianao, izay mipetraka eo amin’ny kerobima, misehoa ka mamirapirata! Fohazy ny herinao eo anoloan’i Efraima sy i Benjamina ary i Manase ka avia hamonjy anay! Andriamanitra ô, ampodio izahay! Ampamirapirato ny tavanao mba ho voavonjy izahay! RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ny vavaka ataon’ny olonao ny fahatezeranao? Mampihinana azy mofo lenan-dranomaso Ianao ary mampisotro azy ranomaso tovozina an-kapoaka. Ataonao antom-pifandirana amin’ny mifanila fonenana aminay izahay ary ny fahavalonay dia mifaly handatsa. Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, ampodio izahay! Ampamirapirato ny tavanao mba ho voavonjy izahay! Nisy voaloboka nafindranao avy tany Ejipta; nandroaka ny Jentilisa Ianao ka namboly azy kosa. Nitevy teo alohany Ianao dia namaka lalina izy ka nameno ny tany; nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony ary nanaloka ny sederan’Andriamanitra ny sampany. Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ny ranomasina izy ary ny sakeliny hatramin’ny ony Eofrata. Nahoana no noravanao ny fefiny ka anotazan’izay rehetra mandalo eny an-dalana izy? Ny lambo avy any an’ala dia mitrongy azy ary izay bibidia any an-tsaha no mandany azy. Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, miverena! Tsinjovy avy any an-danitra ka jereo! Vangio ity voaloboka ity! Arovy izay nambolen’ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao. Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ny tavanao izy. Aoka ny tananao ho amin’ny lehilahy izay eo ankavananao, dia amin’ny zanak’olombelona izay nampaherezinao ho Anao! Dia tsy hihemotra hiala Aminao izahay. Velomy izahay dia hiantso ny anaranao. Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, ampodio izahay! Ampamirapirato ny tavanao mba ho voavonjy izahay! Mihobia ho an’Andriamanitra herintsika! Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba! Asandrato ny hira ka velezo ny ampongatapaka ary tendreo ny lokanga tsara faneno mbamin’ny valiha. Tsofy ny anjomara amin’ny voaloham-bolana, amin’ny fenovolana, dia amin’ny andro firavoravoantsika. Fa lalàna ho an’ny Israely izany ary fitsipika avy amin’Andriamanitr’i Jakoba. Notendreny ho vavolombelona eo amin’i Josefa izany raha nandeha namely ny tany Ejipta Izy. Nandre feo tsy fantatro aho niteny hoe: Nampiala ny entana tamin’ny sorony Aho, nitsahatra tsy nitondra sobika ny tanany. Fony azom-pahoriana ianao dia niantso Ahy ka nanafaka anao Aho; namaly anao tao amin’ny fiafenan’ny kotrokorana Aho ary nizaha toetra anao tao amin’ny ranon’i Meriba. Mihainoa, ry oloko, fa hanambara aminao Aho! Enga anie ka hihaino Ahy ianao, ry Israely ô; Aza asiana andriamanitra hafa eo aminao! Aza miankohoka amin’ny andriamanitry ny firenena hafa! Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta; atanatanao ny vavanao dia hofenoiko. Nefa tsy nihaino ny feoko ny oloko ary tsy nankatò Ahy ny Israely ka navelako hanaraka ny ditran’ny fony izy, handehanany manaraka ny fisainan’ny tenany. Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko ka handeha amin’ny lalako ny Israely! Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny! Izay mankahala NY TOMPO dia hikoy Aminy, fa haharitra mandrakizay ny andron’ny oloko. Hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako anao. Andriamanitra dia eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra; eo amin’ireo andriamanitra no itsarany. Hatramin’ny oviana no mbola hanaovanareo fitsarana tsy marina ka hiangaranareo amin’ny ratsy fanahy? Alaharo ny tenin’ny madinika sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny mahantra, vonjeo ny madinika sy ny mahantra, sariho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy. Tsy manam-pahalalana na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ny tany rehetra. Hoy aho: Ianareo andriamanitra ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra. Kanjo ho faty tahaka ny olombelona ihany ianareo ary samy ho lavo tahaka ny mpitondra rehetra. Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany! Fa fanananao ny firenena rehetra. Andriamanitra ô, aza mangina Ianao! Aza mihombom-bava, aza mamitsaka, Andriamanitra ô! Fa indro, mitabataba ny fahavalonao ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany. Ny olonao no iokoany amin’ny hafetsena ary miara-misaina hamely izay arovanao izy. Hoy izy: Avia ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ny Israely. Fa efa niray tetika tokoa ireo ka nanao fanekena hanohitra Anao, dia ny tranolain’ny Edomita sy ny Ismaelita, ny Moabita sy ny Hagarita, ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ny mponina any Tiro; ny Asiriana koa dia nikambana taminy; nanome sandry ny taranak’i Lota ireo. Ataovy tahaka ny Midianita izy ary tahaka an’i Sisera sy i Jabina teo amin’ny ony Kisona; levona tany Eny-Dora ireo; tonga zeziky ny tany izy. Ataovy tahaka an’i Oreba sy i Zeba ny olo-manankaja eo aminy; eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’i Zebaha sy i Zalmona izay niteny hoe: Aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’Andriamanitra! Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ny rivotra, tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra! Aoka ho toy izany no anenjehanao azy amin’ny tadionao sy ampihorohoroanao azy amin’ny tafio-drivotrao! Saròny henatra ny tavany mba hitadiavany ny anaranao, TOMPO ô! Aoka ho menatra sy ho azon-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy ho ringana izy. Aoka ho fantany fa Ianao irery ihany, izay atao hoe NY TOMPO, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra. Endre ny hatsaran’ny tabernakelinao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’NY TOMPO ny fanahiko; mihoby an’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko. Eny, mahita trano ny tsikirity ary mahita akany hametrahany ny zanany ny sidintsidina, dia ny alitaranao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Mpanjakako sy Andriamanitro! Sambatra izay mitoetra ao amin’ny tranonao! Hidera Anao mandrakariva izy. Sambatra ny olona izay manana ny heriny ao Aminao; ao am-pony ny lalana voavoatra tsara. Raha mandeha mamakivaky ny lohasaha Baka izy dia ataony misy loharano izany ary ny lohaorana no manarom-pitahiana azy. Mitombo hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona izy rehetra. RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô, henoy ny vavaka ataoko! Mandrenesa, ry Andriamanitr’i Jakoba ô! Andriamanitra, ampinganay ô, tsinjovy! Jereo ny tavan’ny Voahosotrao. Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay hitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy. Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, sambatra izay olona matoky Anao! TOMPO ô, efa naneho fitia tamin’ny taninao Ianao! Efa nampodianao avy tamin’ny fahababoany i Jakoba; voaesotrao ny heloky ny olonao, voasaronao ny fahotany rehetra. Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Ianao ary niala tamin’ny fahatezeranao mirehitra. Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô! Ary mialà amin’ny fahatezeranao aminay! Ho tezitra aminay mandrakizay va Ianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara aman-dimby va ny fahatezeranao? Tsy hovelominao indray va izahay mba hifalian’ny olonao Aminao? Asehoy anay ny famindramponao, TOMPO ô, ka omeo anay ny famonjenao! Hihaino izay holazain’NY TOMPO Andriamanitra aho; fa milaza fiadanana amin’ny olony Izy, dia amin’ny olony masina; koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ny fahadalana ireo! Eny tokoa, akaikin’izay matahotra Azy ny famonjeny mba hitoeran’ny voninahitra eo amin’ny tanintsika. Mihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana; mitsimoka amin’ny tany ny fahamarinana ary ny rariny dia mitsinjo avy eny an-danitra. Eny, NY TOMPO hanome ny tsara, ary hahavoka-javatra ny tanintsika. Ny rariny no hialoha Azy sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana. Mihainoa, TOMPO ô, ka valio aho fa ory sy mahantra! Arovy aho fa masina aho! Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao izay matoky Anao! Tompo ô, mamindrà fo amiko! Fa Aminao no itarainako mandrakariva. Ampifalio aho, dia izaho mpanomponao; fa Aminao, Tompo ô, no anandratako ny fanahiko. Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Henoy ny vavaka ataoko, TOMPO ô, henoy tsara ny feon’ny fifonako! Amin’ny andro mampahory ahy dia miantso Anao aho, fa mamaly ahy Ianao. Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ireo andriamanitra ary tsy misy tahaka ny asanao. Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, ka hanome voninahitra ny anaranao. Fa lehibe Ianao ka manao zava-mahagaga; Ianao irery ihany no Andriamanitra. Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao. Aoka ny foko manontolo hatahotra ny anaranao. Hidera Anao amin’ny foko manontolo aho, Tompo Andriamanitro ô; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. Fa lehibe ny famindramponao amiko ary efa nafahanao tamin’ny fitoeran’ny maty any ambany indrindra aho. Andriamanitra ô, mitsangana hanohitra ahy ny mpirehareha ary mitady ny aiko ny antokon’ny mpampihorohoro, tsy mba heveriny fa eo anatrehany Ianao. Nefa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana. Todiho aho ka amindrao fo, omeo ny herinao ny mpanomponao ary vonjeo ny zanaky ny mpanompovavinao! Anehoy famantarana ny ho soa aho mba ho hitan’izay mankahala ahy ka ho menatra izy! Fa Ianao TOMPO ô, no mamonjy sy mampionona ahy. Ny naorin’NY TOMPO dia eo amin’ny tendrombohitra masina. Ny vavahadin’i Ziona dia tian’NY TOMPO mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’i Jakoba. Zava-malaza no nolazaina momba anao, ry tanànan’Andriamanitra. Hanonona an’i Ejipta sy Babilona Aho ho isan’izay mahalala Ahy; indro ny tanin’ny Filistina sy i Tiro mbamin’i Kosy, ity dia teraka tao. Ary i Ziona dia hilazana hoe: Ireto sy ireroa dia samy teraka tao; ny Avo Indrindra no mampitoetra azy. NY TOMPO hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity dia teraka tao. Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao Aminao. TOMPO ô, Andriamanitry ny famonjena ahy! Andro aman’alina no itarainako eo anatrehanao. Aoka ny vavaka ataoko ho tonga eo anatrehanao! Henoy tsara ny fitarainako! Fa diboky ny fahoriana aho ary manakaiky ny fitoeran’ny maty ny aiko. Natao ho isan’izay midina any an-davaka aho ary tahaka ny lehilahy tsy manan-kery intsony. Efa nafoy ho naman’ny maty aho, toy ny voatrabaka sy mandry any amin’ny fasana, izay tsy tsarovanao intsony fa voafongotra tsy ho eo an-tananao. Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Ianao, ao amin’ny maizina, dia ao amin’ny lalina. Ny fahatezeranao dia manindry ahy mafy ary ny alondranonao rehetra dia azeranao amiko. Nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy, nataonao fahavetavetana eo imasony aho; voahidy aho ka tsy afa-mivoaka. Efa pahina noho ny fahoriana ny masoko; TOMPO ô, miantso Anao isanandro aho, mamelatra ny tanako Aminao aho. Haneho fahagagana amin’ny maty va Ianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao? Hotorina any am-pasana va ny famindramponao ary ny fahamarinanao any amin’ny fandringanana? Ho fantatra ao amin’ny maizina va ny fahagagana ataonao ary ny fahamarinanao any amin’ny tanin’ny fandringanana? Fa raha izaho dia Ianao no itarainako, TOMPO ô, ary ny vavaka ataoko dia tonga eo anatrehanao nony maraina. TOMPO ô, nahoana no manary ahy Ianao ka manafina ny tavanao amiko? Ory aho ka efa toy ny efa ho faty hatramin’ny fahazazako; itambesaran’ny fampitahoranao aho ka very hevitra. Manafotra ahy ny fahatezeranao, matin’ny fampitahoranao aho. Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny, miara-manodidina ahy izy. Nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; ireo nahazatra ahy dia tsy misy afa-tsy fahamaizinana. Ny famindrampon’NY TOMPO no hohiraiko mandrakariva; hatramin’ny taranaka fara aman-dimby no hampahafantaran’ny vavako ny fahamarinanao. Fa hoy aho: Hotovonana mandrakizay ny famindrampo; ny fahamarinanao no hampitoerinao any an-danitra. Efa nanao fanekena tamin’ny Voafidiko Aho; eny, efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko Aho hoe: Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho ka hanangana ny sezafiandriananao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Hidera ny fahagagana ataonao ny lanitra, TOMPO ô, ary eo amin’ny fivorian’ny masina koa ny fahamarinanao. Fa iza any an-danitra no mitovy amin’NY TOMPO? Ary iza amin’ny zanak’ireo andriamanitra no afa-mitaha amin’NY TOMPO? Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ny filankevitr’ireo masina ary hatahoran’izay rehetra manodidina Azy fatratra? RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô, iza no mahery tahaka Anao, TOMPO ô? Manodidina Anao ny fahamarinanao. Ianao manapaka ny fisavoanan’ny ranomasina; raha manonja ny alondrano dia mampitsahatra azy Ianao. Ianao no nanorotoro an’i Rahaba ho tahaka izay voavono; ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao. Anao ny lanitra, anao koa ny tany; izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, Ianao no nanorina azy. Ny avaratra sy ny atsimo, Ianao no nahary azy; ny anaranao no ihobian’i Tabara sy i Hermona. Manan-tsandry mahery Ianao; mahery ny tananao, misandratra ny tananao ankavanana. Rariny sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandriananao; famindrampo sy fahamarinana no mialoha ny tavanao. Sambatra izay firenena mahalala ny feo fihobiana! TOMPO ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no andehanany. Ny anaranao no ifaliany mandrakariva ary ny fahamarinanao no isandratany. Fa voninahitry ny heriny Ianao ary amin’ny fankasitrahanao no isandratan’ny tandrokay. Fa an’NY TOMPO ny ampinganay; an’ny Iray Masin’ny Israely ny mpanjakanay. Tamin’izany ny olonao masina dia nilazanao tamin’ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ny mpiady mahery iray Aho ary nanandratra zatovo iray teo amin’ny olona. Nahita an’i Davida mpanompoko Aho; ny diloiloko masina no nanosorako azy. Izy no homban’ny tanako; eny, ny sandriko no hampahery azy. Tsy hamitaka azy ny fahavalo ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. Fa handripaka ny fahavalony eo anoloany Aho sady hamely izay mankahala azy. Ny fahamarinako sy ny famindrampoko no homba azy ary amin’ny anarako no hisandratan’ny tandrony. Dia hampitoetra ny tanany amin’ny ranomasina Aho ary ny tanany havanana amin’ny ony. Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao, Andriamanitro sy vatolampin’ny famonjena ahy. Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa ambony indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany. Hitahiry ny famindrampoko ho azy mandrakizay Aho ary ny fanekeko dia hampaharetiko aminy. Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho ary ny sezafiandrianany dia ho tahaka ny faharetan’ny lanitra. Raha mahafoy ny lalànako ny zanany ka tsy mandeha araka ny fitsipiko, raha ny fitsipiko no hamavoiny ary ny didiko no tsy tandremany, dia hovalìko tsorakazo ny fahadisoany, ary hovalìko kapoka ny helony. Kanefa ny famindrampoko tsy hofoanako aminy ary tsy havadiko ny fahamarinako; tsy hivadihako ny fanekeko ary tsy hovako ny nolazain’ny molotro. Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ny fahamasinako, tsy handainga amin’i Davida mihitsy Aho: Ny taranany dia haharitra mandrakizay ary ny sezafiandrianany dia ho tahaka ny masoandro eo anatrehako. Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. Kanefa narianao sy nolavinao izy! Tezitra tamin’ny Voahosotrao Ianao! Nofoananao ny fanekena tamin’ny mpanomponao; nolotoinao ny satroboninahiny ka narianao tamin’ny tany. Noravanao ny fefiny rehetra; nosimbanao ny fiarovany mafy. Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia mandroba azy; tonga fandatsan’ny mpiaramonina aminy izy. Nampisandratra ny tanana havanan’ny rafilahiny Ianao ary nampifaly ny fahavalony rehetra. Nampihemotra ny lelan’ny sabany Ianao ka tsy nampaharitra azy tamin’ny ady. Nampitsahatra ny voninahiny Ianao ka nanongana ny sezafiandrianany ho amin’ny tany. Nanafohy ny andron’ny fahatanorany Ianao ary nanaron-kenatra azy. Mandra-pahoviana, TOMPO ô? Hiery mandrakizay va Ianao? Hirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao? Tsarovy ny hafohin’ny androko; toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’olombelona rehetra! Iza no lehilahy ho velona ka tsy hahita fahafatesana fa hahavonjy ny tenany tsy ho azon’ny fitoeran’ny maty? Tompo ô, aiza ny famindramponao fahiny izay nianiananao tamin’i Davida tamin’ny fahamarinanao? Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao; ny tratrako dia mivesatra ny firenena marobe, dia ny nandatsan’ny fahavalonao, TOMPO ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ny Voahosotrao! Isaorana mandrakizay anie NY TOMPO! Amena! Eny, Amena! Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Ianao. Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mamerina ny olona ho amin’ny vovoka Ianao ka miteny hoe: Miverena, ry zanak’olombelona! Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina. Mipaoka azy tahaka ny riaka Ianao; torimaso izy; amin’ny maraina dia tahaka ny ahitra mora miova izy; amin’ny maraina dia mamony izy nefa mora miova; amin’ny hariva dia voajinja izy ka maina. Lanin’ny fahatezeranao izahay ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao. Ny helokay dia nataonao teo anatrehanao ary ny fahotanay miafina dia nataonao teo amin’ny fahazavan’ny tavanao. Fa ny andronay rehetra dia mandalo noho ny fahatezeranao; laninay toy ny eritreritra ny taonanay. Fitopolo taona ny halavan’ny andronay ary raha toa ka mateza aza dia valopolo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny fa mihelina haingana izany ka lasa manidina izahay. Iza no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao araka izay tokony ho fahatahorana Anao? Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Miverena, TOMPO ô! Mandra-pahoviana? Mba aneneno ny aminay mpanomponao! Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay. Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay sy ny taona nahitanay loza. Aoka hiseho aminay mpanomponao ny asanao ary ny voninahitrao amin’ny zanakay. Aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray! Ampitoero aminay ny asan’ny tananay; Eny, ny asan’ny tananay, ampitoero izy! Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako! Fa Izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. Ny volon’elany no hanaronany anao ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, na ny zana-tsipìka manidina nony andro, na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina, na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana. Na dia hisy arivo lahy aza no lavo eo anilanao sy iray alina eo ankavananao dia tsy hihatra aminao izany. Hijery amin’ny masonao fotsiny ianao ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. Satria hoy ianao: TOMPO ô, Ianao no aroko! Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao; Eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Ny liona masiaka sy ny vipera dia hodiavinao, ny liona tanora sy ny menarana dia hohitsakitsahinao. Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy. Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko. Tsara ny midera NY TOMPO sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, ary hanambara ny famindramponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina, amin’ny valiha tory folo sy amin’ny feon-dokanga. Ampifalinao amin’ny nataonao aho, TOMPO ô; ny asan’ny tananao no hihobiako. TOMPO ô, akory ny halehiben’ny asanao! Manao ahoana ny halalin’ny fisainanao! Ny ketrina dia tsy mahafantatra izany ary ny adala koa dia tsy mba mahalala. Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy ary mamony ny mpanao ratsy rehetra dia izany ihany no ho fandringanana azy mandrakizay. Nefa Ianao, TOMPO ô, any amin’ny avo, dia maharitra mandrakizay! Fa indreo ny fahavalonao, TOMPO ô, indreo, ringana ny fahavalonao; mihahaka ny mpanao ratsy rehetra. Fa ny tandroko kosa dia asandratrao ho tahaka ny an’ny ombimanga; mihosotra diloilo vaovao aho. Faly ny masoko mahita ny amin’ny fahavaloko ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ny ratsy fanahy izay mitsangana hamely ahy. Ny marina dia hamololona tahaka ny palma, hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy. Nambolena tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika; mbola manorobona ihany izy na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy mba hanambara fa mahitsy NY TOMPO, Vatolampiko izay tsy misy tsiny. NY TOMPO no Mpanjaka! Mitafy voninahitra Izy; NY TOMPO mitafy, eny, misikina hery Izy; koa izao rehetra izao dia nampitoerina ka tsy hihetsika. Ny sezafiandriananao dia nampitoerina hatramin’ny fahagola; hatrizay hatrizay Ianao. Manandra-peo ny ony, TOMPO ô! Eny, manandra-peo ny ony; mampirohondrohona ny feony ny ony. Mihoatra noho ny rano sady be no mahery; eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe ny voninahitry NY TOMPO any amin’ny avo. Ny teny vavolombelonao dia marina tanteraka; fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, TOMPO ô! RY TOMPO, Andriamanitra Mpamaly ny natao ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao ô, misehoa ka mamirapirata! Mitsangàna, ry Mpitsara ny tany ô, valio amin’izay tandrify azy ny mpiavonavona! Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, TOMPO ô, mandra-pahoviana re no mbola hiravoravo ny ratsy fanahy? Mirezadrezatra sy manao teny an’avona izy; mirehareha ny mpanao ratsy rehetra. Ny olonao, TOMPO ô, dia torotoroiny ary ny lovanao dia ampahoriany; ny mpitondratena sy ny vahiny dia vonoiny ary ny kamboty dia matiny. Fa hoy izy: Tsy mijery NY TOMPO, tsy mandinika ny Andriamanitr’i Jakoba! Mba mandiniha, ianareo olona ketrina; ary ianareo kely saina, rahoviana re no mba ho hendry ianareo? Izay namboly ny sofina va tsy handre? Izay namolavola ny maso va tsy hahita? Izay mampianatra ny Jentilisa va tsy hananatra, dia Izy izay mampianatra fahalalana ny olona? NY TOMPO no mahalala ny hevitry ny olona fa zava-poana izany! Sambatra izay olona anarinao, TOMPO ô, sady ampianarinao avy amin’ny lalànanao mba homenao fitsaharana amin’ny andro fahoriana izy, mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy! Fa NY TOMPO tsy mba hanary ny olony ary ny lovany dia tsy hafoiny. Fa hiverina ho amin’ny fahamarinana ny fitsarana ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra. Iza no hitsangana hiaro ahy amin’ny mpanao ratsy? Iza no hijoro hiaro ahy amin’ny mpanao meloka? Raha tsy NY TOMPO no Mpamonjy ahy dia vetivety dia efa nitoetra tao amin’ny mangingina aho. Fony aho niteny hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia ny famindramponao, TOMPO ô, no nanohana ahy. Raha be ny ahiahy ato anatiko dia mampifaly ahy ny fampiononanao. Hiray tetika Aminao va ireo mpitsara lozan-tany izay mamolavola fampahoriana araka ny lalànany? Manao andiany hamely ny ain’ny marina ireo ka manameloka ny ran’ny tsy manan-tsiny. Fa tonga fiarovana avo ho ahy NY TOMPO ary vatolampy fialofako Andriamanitro. Ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; eny, aringan’NY TOMPO Andriamanitsika izy. Avia, aoka isika hihoby ho an’NY TOMPO! Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika! Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika, aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny salamo isika. Fa Andriamanitra lehibe NY TOMPO; Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy. Eo an-tanany ny fitoerana lalina amin’ny tany. Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina fa Izy no nanao azy ary ny tany maina dia novolavolain’ny tanany. Avia, aoka isika hiondrika sy hiankohoka, aoka isika handohalika eo anatrehan’NY TOMPO, Mpanao antsika; Fa Izy no Andriamanitsika ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony hoe: Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba sy tahaka ny tamin’ny andro tao Masa, fony tany an-tany efitra, izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako. Efapolo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’izany taranaka izany ka hoy Aho: Olona maniasia amin’ny fony izy ka tsy mahalala ny lalako. Koa nianiana tamin’ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy! Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO! Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Mihirà ho an’NY TOMPO, misaora ny anarany, ambarao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny! Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony! Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra sady mahatahotra, mihoatra noho ny andriamanitra rehetra. Ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona, fa NY TOMPO no nanao ny lanitra. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ny fitoerany masina. Ry firenena, omeo NY TOMPO; eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO! Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Manolora fanatitra ka mankanesa eo an-kianjany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina; mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra! Lazao any amin’ny Jentilisa fa NY TOMPO no Mpanjaka ary izao rehetra izao dia mitoetra tsara ka tsy hihetsika. Hitsara ny firenena amin’ny fahamarinana Izy. Aoka hifaly ny lanitra ary hiravoravo ny tany! Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy! Aoka hiravoravo ny saha sy izay rehetra eo aminy; dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala eo anatrehan’NY TOMPO fa avy Izy; eny, avy hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany. NY TOMPO no Mpanjaka, aoka hihoby ny tany! Aoka hiravoravo ny nosy marobe! Rahona sy haizim-pito no manodidina Azy. Fahamarinana sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandrianany. Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina izany. Mahazava izao tontolo izao ny tselatra alefany; mahita izany ny tany ka mihorohoro. Ny tendrombohitra dia miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’NY TOMPO, dia eo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra. Ny lanitra dia manambara ny fahamarinany ary ny firenena rehetra dia mahita ny voninahiny. Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy mirehareha ny amin’ny andriamanitra tsy izy. Miankohofa eo anoloan’NY TOMPO ianareo andriamanitra rehetra. Mandre i Ziona ka faly ary miravoravo ny zanakavavin’i Joda noho ny fitsaranao, TOMPO ô! Fa Ianao, TOMPO ô, no Avo Indrindra, ambonin’ny tany rehetra; tafasandratra avo ambonin’ny andriamanitra rehetra Ianao. Ianareo izay tia NY TOMPO, mankahalà ny ratsy! Miaro ny ain’ny olony masina Izy ary manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy. Ny fahazavana no voafafy ho an’ny marina ary ny fifaliana dia ho an’ny mahitsy fo. Mifalia amin’NY TOMPO, ry olo-marina ary miderà ny anarany masina! Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; fa nanao fahagagana Izy; ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena. NY TOMPO nampahafantatra ny famonjeny; teo imason’ny Jentilisa no nanehoany ny fahamarinany. Nahatsiaro ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny taranak’Israely Izy; nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Velomy ny hoby ka mihirà! Mankalazà NY TOMPO amin’ny lokanga, dia amin’ny lokanga sy ny feon-kira, amin’ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara ka mihobia eo anatrehan’NY TOMPO Mpanjaka. Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Aoka hiteha-tanana ny riaka; aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra, eo anatrehan’NY TOMPO, fa avy hitsara ny tany Izy. Hitsara izao rehetra izao amin’ny fahamarinana Izy ary ny firenena amin’ny fahitsiana. NY TOMPO no Mpanjaka! Aoka hangovitra ny firenena. Mipetraka eo amin’ny kerobima Izy, mihorohoro ny tany. Lehibe ao Ziona NY TOMPO, ary misandratra ambonin’ny firenena rehetra Izy. Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo! Fa masina NY TOMPO! Ny herin’ny mpanjaka dia izy tia rariny; Ianao no mampitoetra ny fahitsiana. Fitsarana marina no ataonao eo amin’i Jakoba. Manandrata NY TOMPO Andriamanitsika ianareo ka miankohofa eo amin’ny fitoeran-tongony! Fa masina Izy! I Mosesy sy i Arona izay isan’ny mpisorony ary i Samoela izay isan’ny mpiantso ny anarany dia niantso NY TOMPO ka namaly azy Izy. Niteny taminy tao anatin’ny andry rahona Izy; nitandrina ny teny vavolombelony izy ireo, dia ny didy izay nomeny azy. RY TOMPO Andriamanitray ô, Ianao no namaly ny nataony; Andriamanitra mamela ny helony Ianao, na dia namaly azy noho ny nataony aza. Asandrato NY TOMPO Andriamanitsika ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina! Fa masina NY TOMPO Andriamanitsika! Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Manompoa NY TOMPO amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana! Aoka ho fantatrareo fa NY TOMPO no Andriamanitra: Izy no nanao antsika ary Azy isika, dia olony sy ondry andrasany. Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany! Fa tsara NY TOMPO; mandrakizay ny famindrampony ary mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinany. Famindrampo sy fitsarana no hankalazaiko; Ianao, TOMPO ô, no hoderaiko. Hitandrina ny lalana marina aho. Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Ianao? Handeha amin’ny fahitsian’ny foko ao anatin’ny tranoko aho. Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny fanaon’ny mpivadika, tsy ho azon’izany aho. Halaviriko ny fo maditra; tsy hankasitraka izay ratsy aho. Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; izay miandranandrana sy miavonavona am-po dia tsy zakako. Hijery izay olona mahatoky amin’ny tany ny masoko mba hitoerany ato amiko; izay mandeha amin’ny lalana marina no hanompo ahy. Tsy mba hitoetra ao anatin’ny tranoko izay manao fitaka. Tsy mba hijanona eo anoloan’ny masoko izay milaza lainga. Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany mba hamongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’NY TOMPO. TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko ary aoka hankeo Aminao ny fitarainako. Aza manafina ny tavanao amiko amin’ny andro fahoriako; atongilano amiko ny sofinao amin’ny andro itarainako; faingàna hamaly ahy. Fa levon-ko setroka ny androko ary mahamay tahaka ny forohana sisa tsy may ny taolako. Voakapa tahaka ny ahitra ny foko ka malazo, fa hadinoko na dia ny mihinan-kanina aza. Noho ny fisentoan’ny foko dia miraikitra amin’ny hoditro ny taolako. Tahaka ny sama any an-tany efitra aho ary tahaka ny vorondolo any an-tanàna haolo. Tsy mahita tory aho sady tahaka ny voronkely manirery eo amin’ny tafon-trano. Mandatsa ahy mandritra ny andro ny fahavaloko; izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana. Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; ny zavatra nosotroiko dia noharoharoako ny ranomasoko, noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; fa naingainao aho kanefa natontanao indray. Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. Nefa Ianao, TOMPO ô, dia mipetraka manjaka mandrakizay; ny fahatsiarovana Anao dia mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby. Hitsangana Ianao ka hamindra fo amin’i Ziona fa efa andro hamindrana fo aminy izao; eny, tonga izao ny fotoana. Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony sady malahelo ny vovo-taniny izy. Hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny Jentilisa ary hatahotra ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany; fa nanangana an’i Ziona NY TOMPO; niseho tamin’ny voninahiny Izy; nijery ny vavaka nataon’ny mahantra Izy ka tsy nanevateva ny vavaka nataony. Hosoratana ho an’ny taranaka mandimby izany ary izay firenena mbola hoforonina no hidera NY TOMPO; fa mitazana avy any amin’ny fitoerany masina any amin’ny avo Izy; avy any an-danitra no nitsinjovan’NY TOMPO ny tany mba hihaino ny fisentoan’ny mpifatotra sy hanafaka izay voatendry ho faty, mba hotorina any Ziona ny anaran’NY TOMPO ary any Jerosalema ny fiderana Azy rehefa tafangona ny firenena sy ny fanjakana maro hanompo NY TOMPO. Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; efa nahafohy ny androko Izy. Hoy aho: Andriamanitro ô, aza maka ahy antenantenan’ny androko; ny taonanao dia mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby. Tany aloha no nanorenanao ny tany ary asan’ny tananao ny lanitra. Ireo dia ho levona fa Ianao no maharitra; ho rovitra toy ny fitafiana izy rehetra; toy ny lamba no hanovanao azy ka hosoloana izy. Fa Ianao no tsy miova ary ny taonanao no tsy ho tapitra. Handry fehizay ny zanaky ny mpanomponao ary hampitoerina eo anatrehanao ny taranany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra, izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao, izay mamoky zava-tsoa anao; mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao. NY TOMPO manao fahamarinana sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina. Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; nampahafantariny ny asa lehibe nataony ny Zanak’Israely. Mamindra fo sy miantra NY TOMPO, mahari-po sady be famindrampo. Tsy mifandahatra mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy. Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika ka mahatsiaro fa vovoka isika. Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa ary tsy mahalala azy intsony ny toerany. Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny. Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO; ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora NY TOMPO, ianareo miaramilany rehetra, dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora NY TOMPO, ianareo asany rehetra manerana ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. RY TOMPO Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao; famirapiratana sy voninahitra no itafianao. Mitafy ny mazava tahaka ny mitafy lamba Izy ary mamelatra ny lanitra tahaka ny famelatra tranolay. Mametraka ny rairain-drihan’ny tranony amin’ny rano Izy sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ny elatry ny rivotra. Manao ny rivotra ho irany Izy ary ny lelafo ho mpanompony. Nanorina ny tany teo ambonin’ny fanorenany Izy mba tsy hihetsehany mandrakizay doria. Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; nandifotra ny tendrombohitra ny rano. Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, noho ny feon’ny kotrokoranao dia nirifatra izy. Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha, ho any amin’izay namboarinao hitoerany. Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy mba tsy hiverina hanarona ny tany. Mampandeha loharano ho riaka eny amin’ny lohasaha Izy; eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny ka isotroan’ny bibidia rehetra sy analan’ny borikidia ny hetahetany. Eo akaikiny no itoeran’ny voromanidina ary eo amin’ny rantsan-kazo no anenoany. Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy; ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany. Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona. Voky ny hazon’NY TOMPO, dia ny sederan’i Libanona izay namboleny. Eny no anaovan’ny voronkely ny akaniny ary ny vano dia eny amin’ny hazo kipreso no anaovany ny tranony. Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osidia; ny harambato dia fiarovana ho an’ny hiràka. Nanao ny volana ho famantarana ny fotoana Izy ary mahalala ny filentehany ny masoandro. Mahatonga haizina Ianao dia tonga ny alina ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ala; mierona maniry remby ny liona tanora ka mitady ny haniny avy amin’Andriamanitra. Miposaka ny masoandro dia miverina ireny ary ao an-davany no amitsahany. Fa ny olona kosa dia mivoaka ho any amin’ny raharahany sy ny asany mandra-paharivan’ny andro. Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka, any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, dia zavamiaina, na ny kely na ny lehibe. Any no alehan’ny sambo sy ny leviatana izay noforoninao mba hilalao any. Ireo rehetra ireo dia miandry Anao mba homenao ny haniny amin’ny fotoanany. Manome Ianao dia manangona izy; manokatra ny tananao Ianao dia voky ny soa izy. Manafina ny tavanao Ianao dia raiki-tahotra izy; alainao indray ny ainy dia maty izy ka mody any amin’ny vovoka nanalana azy. Maniraka ny Fanahinao Ianao dia ary izy ary manavao ny velaran’ny tany Ianao. Ho mandrakizay anie ny voninahitry NY TOMPO; aoka hifaly amin’ny asany NY TOMPO. Jereny ny tany dia mihorohoro; tendren’ny tanany ny tendrombohitra dia midona-tsetroka. Hihira ho an’NY TOMPO aho raha mbola velona koa; hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola miaina. Ho maminy anie ny fisainako Azy; izaho no hifaly amin’NY TOMPO. Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ny tany ny mpanota ary tsy ho etỳ intsony ny ratsy fanahy. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. Haleloia. Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany; ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO. Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny; katsaho mandrakariva ny tavany. Tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany, ry taranak’i Abrahama mpanompony, dia ianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba. NY TOMPO, Izy no Andriamanitsika; manerana ny tany rehetra ny fitsarany. Mahatsiaro mandrakariva ny fanekeny Izy, dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby; eny, ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka; izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’Israely ka nilazany hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho anjara lovanareo voazara tsara. Mbola olom-bitsy izy ireo tamin’izany; eny, vitsy sady vahiny tao; nifindrafindra firenena izy ireo ary nifindrafindra fanjakana tany amin’ny firenen-kafa. Tsy nisy navelany hampahory azy anefa, fa nananatra mpanjaka noho ny amin’ireo Izy hoe: Aza mikasika ireo Voahosotro ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko. Dia niantso ny mosary ho amin’ny tany Izy; nofoanany avokoa ny hanina rehetra izay tohan’aina; naniraka lehilahy iray hialoha azy Izy, dia i Josefa izay namidy ho andevo. Nampijalina tamin’ny fatorana ny tongony; nogadraina vy izy, mandra-pahatongan’ny fotoana nahatanterahan’ny teniny; nizaha toetra azy ny tenin’NY TOMPO. Nandefa iraka hamaha azy ny mpanjaka, dia tamin’ny mpanapaka ny vahoaka izay nampandefa azy. Nametraka azy ho tompon’ny tranony izy ary ho mpanapaka ny fananany rehetra mba hamatotra ny mpitondra araka ny sitrapony sy hampianatra fahendrena ny loholony. Ary nankany Ejipta Israely; eny, nivahiny tany amin’ny tanin’i Hama i Jakoba. Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony. Nampiova ny fon’ireny hankahala ny olony sy hamitaka ny mpanompony Izy. Naniraka an’i Mosesy mpanompony sy i Arona izay nofidiny Izy. Ary izy ireo dia nanao ny famantarany teo aminy sy fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama. Nandefa ny haizina Izy dia tonga ny haizina; ary tsy nisy nanohitra ny teniny izy ireo. Nahatonga ny rano teo aminy ho ra Izy ka nahafaty ny hazandranony. Nisy sahona betsaka ny taniny; eny, na dia hatrao an’efitranon’ny mpanjakany aza. Niteny Izy dia tonga ny fihitra sy ny moka teny amin’ny faritaniny rehetra. Nahatonga havandra ho solon’ny ranonorana Izy ary afo midedadeda teny amin’ny taniny. Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ny taniny. Niteny Izy dia tonga ny valala sy ny sompanga tsy hita isa; dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ny taniny ireny ka nandany ny vokatry ny taniny. Namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ny taniny Izy, dia ny voalohan-terany rehetra. Dia nitondra ny olony nivoaka avy tany Izy, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena; tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ireo fokony. Faly i Ejipta tamin’ny nahalasanany, satria efa nahazo azy ny fahatahorana ireo. Namelatra rahona ho fialokalofana Izy ary afo ho fanazavana nony alina. Nangataka izy ireo dia nahatonga papelika Izy ary mofon-danitra no namokisany azy. Nanokatra ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano ka tonga renirano nandriaka tamin’ny tany maina. Fa nahatsiaro ny teniny masina sy i Abrahama mpanompony Izy. Nitondra ny olony nivoaka avy tany tamin’ny fifaliana Izy ary ny voafidiny tamin’ny fihobiana. Nanome azy ny tanin’ny Jentilisa Izy ary nandova ny nisahiranan’ny firenena maro ireny mba hitandremany ny didiny sy hankatoavany ny lalànany. Haleloia. Haleloia. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony. Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’NY TOMPO, na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? Sambatra izay mitandrina ny rariny ka mitandro mandrakariva ny marina. TOMPO ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; vangio amin’ny famonjenao aho, hahitako ny soa azon’ny voafidinao, hifaliako amin’ny fifalian’ny firenenao, hiravoravoako miaraka amin’ny lovanao. Efa nanota izahay mbamin’ny razanay, efa nanao izay meloka sy ratsy izahay. Tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao ny razanay tany Ejipta; tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ny famindramponao ireny fa nikomy teo amoron-dranomasina, dia teo amoron’ny Ranomasina Mena. Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany mba hampahafantarany ny asany lehibe. Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena ka tonga maina ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny tany efitra Izy. Namonjy azy tamin’ny tanan’ny mpandrafy Izy ary nanavotra azy tamin’ny tanan’ny fahavalo. Dia nosaronan’ny rano kosa ny rafiny ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza. Dia nino ny teniny izy ka nihira ny fiderana Azy. Nalaky nanadino ny asany anefa izy ka tsy niandry ny saina hatolony, fa fatra-pitsiriritra tany an-tany efitra izy sady naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana. Dia nomeny azy izay nangatahiny kanefa nataony mahia izy. Dia nialona an’i Mosesy tany an-toby izy ireo sady nialona an’i Arona, olo-masin’NY TOMPO. Nisokatra ny tany dia nitelina an’i Datana ka nanarona ny antokon’i Abirama. Dia nisy afo nirehitra tamin’ny antokony; lelafo no nandoro ny ratsy fanahy. Nanao ombilahy kely tany Horeba izy ka niankohoka teo anoloan’ny sarin-javatra voarendrika. Ary ny voninahiny dia natakalony sarin’omby homana ahitra. Nohadinoiny Andriamanitra, mpamonjy azy, izay efa nanao zava-dehibe tany Ejipta, dia fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ny Ranomasina Mena. Ary nilaza handringana azy Izy raha tsy i Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ny banga teo anatrehany, hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy. Nanamavo ny tany mahafinaritra ireo sady tsy mba nino ny teniny fa nimonomonona tany an-dainy ka tsy nihaino ny feon’NY TOMPO. Dia nananga-tanana taminy Izy fa hampiampatrampatra azy any an-tany efitra ary ny taranany kosa dia any amin’ny Jentilisa, ary hampihahakahaka azy any amin’ny tany maro Izy. Nikambana tamin’i Baala-Peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ny maty. Nampahatezitra NY TOMPO tamin’ny nataony ireo ka namely azy tampoka ny areti-mandringana. Fa nitsangana nandroso i Finehasa ka nandamina dia nitsahatra ny areti-mandringana. Ary nisaina ho fahamarinany izany hatramin’ny taranaka fara aman-dimby mandrakizay. Nampahatezitra NY TOMPO teo anilan’ny ranon’i Meriba ireo ka nisy nanjo an’i Mosesy noho ny nataon’ireo; satria nikomy tamin’ny Fanahin’NY TOMPO ireo dia nanao teny tsy voahevitra i Mosesy. Tsy naringan-dry zareo ny firenena izay nasain’NY TOMPO naringany; fa nifangaro tamin’ny Jentilisa izy ka nianatra ny fanaony. Nanompo ny sampiny izy ka tonga fandrika ho azy izany. Namono ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanatitra ho an’ny demonia ireo; eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy. Naloto tamin’ny asany izy ary nahatonga azy ho nijangajanga ny nataony. Nirehitra tamin’ny olony ny fahatezeran’NY TOMPO ka nataony ho zava-betaveta ny lovany. Nanolotra azy teo an-tanan’ny Jentilisa Izy ka izay nankahala azy no nanapaka taminy. Nampahory azy ny fahavalony ka naetry teo ambanin’ny tanany izy. Matetika Izy no nanafaka azy; fa ireo kosa dia tsy nisaina afa-tsy ny hikomy Taminy ihany ka nihalevona noho ny helony. Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy raha nandre ny fitarainany. Nahatsiaro ny fanekeny Izy ka nanenina araka ny haben’ny famindrampony. Nataony nahita famindrampo ireny tamin’izay rehetra namabo azy. Vonjeo izahay, RY TOMPO Andriamanitray ô, ka angony avy amin’ny Jentilisa mba hisaoranay ny anaranao masina ka ho reharehanay ny fiderana Anao. Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay; ary aoka ny olona rehetra hiteny hoe: Amena! Haleloia. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony. Aoka hilaza izany ny navotan’NY TOMPO, dia izay navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalo sy nangoniny avy tany amin’ny tany maro, dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ny ranomasina. Nirenireny tany an-tany efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana ary tsy nahita tanàna honenana. Noana sy nangetaheta izy sady reraka ny ainy tao anatiny. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory ka nafahany tamin’izay mahatahotra azy; dia nitondra azy tamin’ny lalana mahitsy Izy mba hankanesany any amin’izay tanàna honenana. Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy ary ny fanahy noana dia vokisany soa. Izay nipetraka tao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana dia voafato-pahoriana sy vy satria nandà ny tenin’Andriamanitra sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; dia nampietreny tamin’ny fahoriana ny fony; koa potraka izy nefa tsy nisy hamonjy. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory ka nafahany tamin’izay nampahatahotra azy. Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy ary notapahany ny fatorany. Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy ary notapatapahiny ny hidy vy. Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony. Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra ary nanakaiky ny vavahadin’ny fahafatesana izy. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory ka nafahany tamin’izay nampahatahotra azy. Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy ary nanafaka azy tao amin’ny lavaka nianjerany Izy. Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Aoka hanolotra fanati-pisaorana izy ary hilaza ny asany amin’ny fihobiana. Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo sy manao raharaha any amin’ny rano lehibe no mahita ny asan’NY TOMPO sy ny fahagagana ataony amin’ny rano lalina. Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery izay nampisondrotra ny onjan-drano; niakatra hatrany amin’ny lanitra ny olona ary nidina hatrany amin’ny lalina; torotoro noho ny fahoriana ny fanahiny. Fanina ireo sady nivembena toy ny mamo ka very ny fahaizany rehetra. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory ka nanafaka azy tamin’izay nampahatahotra azy Izy. Nampahatony ny rivotra mahery Izy ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo satria nitsahatra izany ary notarihiny ho amin’ny fitodiana niriny izy. Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona izy ka hidera Azy eo amin’ny fipetrahan’ny loholona. Mampody ny ony ho tany efitra Izy ary ny loharano ho tany mangentana, ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo. Mampody ny tany efitra ho farihy Izy ary ny tany maina ho loharano; amponeniny ao izay noana mba hanamboatra tanàna honenana; hamafy eny an-tsaha izy sady hamboly voaloboka ka hahazo vokatra be. Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. Fa mihakely sy mietry indray izy noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo. Mampidina fanamavoana amin’ny mpitondra NY TOMPO ka mampirenireny azy any an-tany efitra tsy misy lalana; fa manandratra ny mahantra ho afa-pahoriana kosa izy ka mampahamaro ny fianakaviany toy ny andian’ondry. Hahita izany ny marina ka ho faly fa hikombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra. Izay hendry dia aoka hitandrina izany ka hahalala ny famindrampon’NY TOMPO. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza Anao aho. Izany no voninahitro! Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hofohaziko ny fahazavan’ny maraina. Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, TOMPO ô, ary hankalaza Anao eny amin’ny Jentilisa. Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao ary mipaka any amin’ny habakabaka ny fahamarinanao. Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô; ary aoka ho etỳ ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao. Mba hahafaka ny malalanao dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho ka valio. Niteny tamin’ny fahamasinany Andriamanitra hoe: Handresy Aho ka hizara an’i Sekema ary horefesiko ny lohasahan’i Sokota; Ahy i Gileada, ahy i Manase; aron’ny lohako i Efraima; tehim-panjakako i Joda; fitoeran-drano fisasana ho Ahy i Moaba; eo amin’i Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’i Filistia no hihobiako. Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma? Tsy Ianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, sady tsy niaraka tamin’ny miaramilanay Ianao, Andriamanitra ô? Vonjeo amin’ny fahavalo izahay, fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona. Andriamanitra no hahavitantsika asa mahery vaika, fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika. Ry Andriamanitra izay deraiko ô, aza mangina Ianao, fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; niteny ahy tamin’ny lela mandainga izy. Teny feno fankahalana no nanodidinany ahy ary niady tamiko tsy amin’antony izy. Ny fitiavako dia valiny fandrafiana, fa izaho kosa dia mivavaka. Novaliany ratsy ny soa nataoko ary novaliany fankahalana ny fitiavako. Anendreo olona ratsy fanahy hifehy azy izy ary aoka hisy mpiampanga hitsangana eo ankavanany. Raha hotsaraina izy dia aoka ho meloka ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana. Aoka ho vitsy ny androny ary aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany. Aoka ho kamboty ny zanany ary aoka ho mpitondratena ny vadiny. Aoka hirenireny mangataka ny zanany ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy. Aoka hamandrika izay rehetra ananany ny mpampindram-bola ary aoka hifaoka ny vokatry ny asany ny olon-kafa. Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, na hiantra ny zanany kamboty. Aoka ho fongotra ny taranany ary aoka hovonoina amin’ny taranaka mandimby ny anarany. Aoka hotsarovan’NY TOMPO ny heloky ny rainy ary aoka tsy hovonoina ny heloky ny reniny. Aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO mandrakariva izany ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ny tany anie ny fahatsiarovana azy. Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy fa nanenjika ny ory sy ny mahantra ary ny reraka am-po mba hahafaty azy. Tia ozona izy ka nanody azy izany; tsy tia fitahiana izy ka nanalavitra azy izany. Nitafy ozona tahaka ny lambany izy ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany ary tao amin’ny taolany tahaka ny diloilo; dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany ary ho fehikibo hanaovany mandrakariva. Izany no famaliana avy amin’NY TOMPO ho an’ny mpiampanga ahy, dia izay manendrikendrika ahy. Fa Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, dia miasa ho ahy noho ny anaranao; afaho aho fa tsara ny famindramponao. Fa ory sy mahantra aho ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko. Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; roahina tahaka ny valala aho. Malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina ary efa lasa mahia kaozatra ny tenako. Ary izaho dia tonga fandatsan’ireny; mijery ahy izy ka mihifikifi-doha. Ampio aho RY TOMPO Andriamanitro; vonjeo araka ny famindramponao aho; aoka ho fantany fa tananao izany; ary Ianao, TOMPO ô, no nanao izany. Manozona izy ireo fa mitahy kosa Ianao; mitsanga-menatra izy fa mifaly kosa ny mpanomponao. Mitafy henatra ny mpiampanga ahy ka misaron-kenatra tahaka ny lamba. Hidera NY TOMPO amin’ny feo mafy aho; eny, eo amin’ny olona maro no hiderako Azy. Fa mitsangana eo ankavanan’ny mahantra Izy mba hamonjy azy amin’izay manameloka ny fanahiny. Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Tompoko: Mipetraha eto ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. Havoakan’NY TOMPO avy ao Ziona ny tehin’ny herinao; aoka hanapaka eo anivon’ny fahavalonao Ianao. Ny olonao dia manolo-tena an-tsitrapo amin’ny andro isehoan’ny herinao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina, no manatona Anao ny zatovonao. Efa nianiana NY TOMPO ka tsy hanenina: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka. Ny Tompo eo ankavananao dia handripaka mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany. Hitsara any amin’ny Jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; handripaka mpitondra manerana ny tany Izy. Hisotro amin’ny ony any an-dalana Izy ka izany no hitrakan’ny lohany. Haleloia. Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho, eo amin’ny fivorian’ny marina sy ny fiangonan-dehibe. Lehibe ny asan’NY TOMPO ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy. Madera sady malaza ny asany; maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; miantra sy mamindra fo NY TOMPO. Nomeny hanina izay matahotra Azy; tsarovany mandrakizay ny fanekeny. Nasehony tamin’ny olony ny herin’ny asany tamin’ny nanomezany azy ny lovan’ny Jentilisa. Ny asan’ny tanany dia fahamarinana sy fitsarana; mahatoky avokoa ny didiny rehetra; mitoetra mafy mandrakizay doria ireny fa natao tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Nandefa fanavotana ho an’ny olony Izy; nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; masina sy mahatahotra ny anarany. Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy. Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra NY TOMPO sady mankasitraka ny didiny indrindra. Hahery ambonin’ny tany ny zanany; hotahina ny taranaky ny marina. Fananana sy harena no ao an-tranony; haharitra mandrakizay ny fahamarinany. Ao amin’ny maizina no iposahan’ny mazava ho an’ny olona mahitsy; mamindra fo sy miantra ary marina ireny. Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra ary mitantana ny raharahany amin’ny fahamarinana. Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; hotsarovana mandrakizay ny marina. Tsy mba matahotra ny hahare loza izy; tafatoetra ny fony, matoky NY TOMPO izy. Tsara mpanohana ny fony ka tsy hatahotra izy, mandra-pifaliny mahita ny amin’ny mpandrafy azy. Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany; hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany. Hahita azy ny ratsy fanahy ka ho sosotra; hihidy vazana izy ka ho levona; ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy. Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’NY TOMPO, miderà ny anaran’NY TOMPO. Isaorana anie ny anaran’NY TOMPO hatramin’izao ka ho mandrakizay. Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia hoderaina anie ny anaran’NY TOMPO. Avo ambonin’ny firenena rehetra NY TOMPO; ambonin’ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka NY TOMPO Andriamanitsika izay mipetraka any amin’ny avo nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka, dia ny mpanapaka eo amin’ny olony. Mampitoetra an-trano ny momba Izy fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia. Fony nivoaka avy tany Ejipta ny Israely, dia ny taranak’i Jakoba avy tany amin’ny firenena hafa fiteny, dia tonga fitoerany masina i Joda ary Israely no fanjakany. Nahita azy ny ranomasina ka nandositra ary nihemotra i Jordana. Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy ary ny havoana tahaka ny zanak’ondry. Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no mihemotra ianao? Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy? Ary ianareo havoana, no tahaka ny zanak’ondry? Mihorohoroa eo anatrehan’ny Tompo, ry tany, dia eo anatrehan’Andriamanitr’i Jakoba izay mampody ny vatolampy ho farihy ary ny vatoafo ho loharano. TOMPO ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra fa ny anaranao ihany, noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao. Nahoana ny Jentilisa no miteny hoe: Aiza izay Andriamaniny? Nefa any an-danitra Andriamanitsika; efa nanao izay sitrapony rehetra Izy. Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre; manana orona izy nefa tsy manimbolo; manan-tanana izy nefa tsy mandray; manan-tongotra izy nefa tsy mandeha ary tsy mahaloa-peo ny tendany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy. Ry Israely ô, matokia NY TOMPO; heriny sy ampingany Izy. Ry taranak’i Arona ô, matokia NY TOMPO; heriny sy ampingany Izy. Ianareo izay matahotra NY TOMPO, matokia NY TOMPO; heriny sy ampingany Izy. Mahatsiaro antsika NY TOMPO ka mitahy; hitahy ny taranak’Israely Izy; hitahy ny taranak’i Arona Izy; hotahiny izay matahotra NY TOMPO, na ny kely na ny lehibe. Hahamaro anareo anie NY TOMPO, dia ianareo mbamin’ny zanakareo. Hitahy anareo anie NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Ny lanitra dia lanitry NY TOMPO; fa ny tany dia nomeny ho an’ny zanak’olombelona. Tsy mba hidera NY TOMPO ny maty, na izay rehetra midina any amin’ny mangingina; fa izahay kosa dia hisaotra NY TOMPO hatramin’izao ka ho mandrakizay. Haleloia. Izaho dia tia NY TOMPO satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy; satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy; dia hiantso aho raha mbola velona koa. Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana ary nahazo ahy ny fahorian’ny fitoeran’ny maty; nahita fahoriana sy alahelo aho. Dia niantso ny anaran’NY TOMPO aho hoe: Mifona Aminao aho, TOMPO ô, afaho aho. Mamindra fo sy marina NY TOMPO; eny, miantra Andriamanitsika. Miaro ny olona tso-po NY TOMPO; reraka aho dia namonjy ahy Izy. Miverena ho amin’ny fitsaharanao, ry fanahiko, fa NY TOMPO efa nanisy soa anao. Ianao dia nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana sy ny masoko tamin’ny ranomaso ary ny tongotro tamin’ny fahatafintohinana. Handeha eo anatrehan’NY TOMPO eo amin’ny tanin’ny velona aho. Nanam-pinoana tokoa aho na dia niteny aza hoe: Reraka loatra aho. Hoy aho tamin’ny fahatairako: Mpandainga ny olona rehetra. Inona no havaliko NY TOMPO noho ny soa rehetra nataony tamiko? Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’NY TOMPO. Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho; eny, eo anatrehan’ny olony rehetra. Sarobidy eo imason’NY TOMPO ny fahafatesan’ny olony masina. Indrisy, TOMPO ô! Mpanomponao tokoa aho; eny, mpanomponao sady zanaky ny mpanompovavinao. Namaha ny fatorako Ianao. Ianao no hanolorako fanati-pisaorana, ary ny anaran’NY TOMPO no hantsoiko. Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho eny, eo anatrehan’ny olony rehetra, dia eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO, eo afovoanao, ry Jerosalema ô! Haleloia. Miderà NY TOMPO, ry firenena rehetra; omeo voninahitra Izy, ry olona rehetra. Fa lehibe ny famindrampony amintsika ary mandrakizay ny fahamarinan’NY TOMPO. Haleloia. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony. Aoka ny Israely hilaza hoe: Mandrakizay ny famindrampony. Aoka ny taranak’i Arona hilaza hoe: Mandrakizay ny famindrampony. Aoka izay matahotra NY TOMPO hilaza hoe: Mandrakizay ny famindrampony. Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO, dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy. NY TOMPO no miandany amiko ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko? NY TOMPO no miandany amiko sady mamonjy ahy ary ho faly aho hahita ny amin’izay mankahala ahy. Tsara ny mialoka amin’NY TOMPO noho ny mialoka amin’ny olona. Tsara ny matoky NY TOMPO noho ny matoky ny mpanapaka. Nanodidina ahy ny firenena rehetra, fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy; nanodidina ahy ireny; eny, nitangorona tamiko; ny anaran’NY TOMPO anefa no nandringanako azy. Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; voavono tahaka ny afon-tsilo izy; fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy. Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao nefa NY TOMPO no namonjy ahy. NY TOMPO no heriko ary Izy no deraiko, fa Izy no famonjena ahy. Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia misandratra; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery. Tsy ho faty aho fa ho velona ka hitory ny asan’NY TOMPO. Nofaizin’NY TOMPO mafy aho nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana. Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho; hiditra eo aho ka hidera NY TOMPO. Ity no vavahadin’NY TOMPO; ny marina no hiditra eo. Hidera Anao aho fa efa namaly ahy Ianao ka Ianao no famonjena ahy. Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro. Avy tamin’NY TOMPO izany ka zava-mahagaga eo imasontsika. Ity no andro nataon’NY TOMPO; hifaly sy ho ravoravo amin’izany isika. Mifona Aminao aho, TOMPO ô, vonjeo e! Mifona Aminao aho, TOMPO ô, ambino e! Hotahina anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO; avy ao amin’ny tranon’NY TOMPO no itsofanay rano anareo. Andriamanitra NY TOMPO ka nampahazava antsika. Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ny tandroky ny alitara aza. Andriamanitro Ianao ka hidera Anao aho; eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; eny, mandrakizay ny famindrampony. Sambatra ny mahitsy lalana, dia izay mandeha araka ny lalànan’NY TOMPO. Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo manontolo; eny, izay tsy manao ny ratsy fa mandeha araka ny lalany. Namoaka ny didinao Ianao mba hotandremana tsara. Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako hitandremako ny didinao! Dia tsy ho menatra aho rehefa mandinika ny didinao rehetra. Hidera Anao amin’ny fo mahitsy aho amin’ny ianarako ny fitsipikao marina. Ny didinao no hotandremako; aza dia mahafoy ahy Ianao! Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany ho madio? Ny fitandremana araka ny teninao. Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho. Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao. Isaorana anie Ianao, RY TOMPO; ampianaro ahy ny didinao. Ny molotro no nentiko nilaza ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. Ny lalan’ny teny vavolombelonao no ifaliako, tahaka ny ifaliako amin’ny harena rehetra. Ny didinao no saintsainiko ary ny lalanao no dinihiko. Ny didinao no iravoravoako; tsy hadinoiko ny teninao. Asio soa aho mpanomponao mba ho velona ka hitandrina ny teninao. Ampahirato ny masoko mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànanao. Vahiny etỳ an-tany aho; aza afeninao ahy ny didinao. Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany ny fitsipikao amin’ny fotoana rehetra. Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona izay mania miala amin’ny didinao. Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana; fa mitandrina ny teny vavolombelonao aho. Na dia ireo mpanapaka aza dia mipetraka ka mioko hamely ahy; izaho mpanomponao dia misaintsaina ny didinao. Ny teny vavolombelonao koa no firavoravoako eny, mpanolotsaina ahy izany. Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko; velomy aho araka ny teninao. Nolazaiko Anao ny lalako dia namaly ahy Ianao; ampianaro ahy ny didinao. Ampahalalao ahy ny lalan’ny didinao dia hisaintsaina ireo fahagagana nataonao aho. Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; ampaherezo aho araka ny teninao. Esory amiko ny lalan’ny lainga ka ny lalànanao no anasoavy ahy. Ny lalan’ny fahamarinanao no fidiko; apetrako eo anatrehako ny fitsipikao. Mifikitra amin’ny teny vavolombelonao aho; TOMPO ô, aza avela ho azon-kenatra aho. Ny lalan’ny didinao no ihazakazahako, fa ampahalalahinao ny foko. TOMPO ô, toroy ny lalan’ny didinao aho dia hotandremako hatramin’ny farany izany. Omeo fahiratan-tsaina aho mba hitandrina ny lalànanao; eny, hitandrina azy amin’ny foko manontolo aho. Ampandehano amin’ny lalan’ny didinao aho fa izany no sitrako. Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena. Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny lalanao aho. Tovy ny teninao amin’ny mpanomponao, dia amin’izay matahotra Anao. Esory ny fahafaham-baraka izay atahorako, fa tsara ny fitsipikao. Indro, manina ny didinao aho; velomy amin’ny fahamarinanao aho. Aoka ho tonga amiko ny famindramponao, TOMPO ô, dia ny famonjenao, araka ny teninao. Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho satria matoky ny teninao. Ary aza dia esorina amin’ny vavako ny teny marina fa miandry ny fitsaranao aho. Dia hitandrina ny lalànanao mandrakariva aho, dia mandrakizay doria. Ary handeha amin’ny malalaka aho fa ny didinao no tadiaviko. Hilaza ny teny vavolombelonao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho ka tsy ho menatra. Ary hiravoravo amin’ny didinao aho satria tiako ireny. Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny; hosaintsainiko ny didinao. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao, dia ilay teny nampanantenainao ahy. Izany no mampionona ahy amin’ny fahoriako; ny teninao no mamelona ahy. Maniratsira ahy fatratra ny mpirehareha; tsy mba mivily miala amin’ny lalànanao aho. Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, TOMPO ô, dia mionona. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànanao. Ny didinao no ataoko an-kira ao amin’ny trano fivahinianako. Mahatsiaro ny anaranao aho nony alina, TOMPO ô, ka mitandrina ny lalànanao. Izao no anjarako, dia ny mitandrina ny didinao. Anjarako NY TOMPO; minia mitandrina ny teninao aho. Mifona Aminao amin’ny foko manontolo aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao. Mihevitra ny lalako aho ka mamerina ny tongotro ho amin’ny teny vavolombelonao. Mandeha haingana aho ka tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao. Nihodidina tamiko ny famatoran’ny ratsy fanahy; tsy mba nanadino ny lalànanao aho. Mamatonalina no hifohazako hidera Anao noho ny fitsaranao marina. Naman’izay rehetra matahotra Anao aho sady naman’izay mitandrina ny didinao. TOMPO ô, henika ny famindramponao ny tany; ampianaro ahy ny didinao. TOMPO ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, araka ny teninao. Ampianaro fahaiza-mamantatra tsara sy fahalalana aho fa matoky ny didinao aho. Fony tsy mbola azom-pahoriana aho dia naniasia; fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. Sady tsara Ianao no mpanao ny tsara; ampianaro ahy ny didinao. Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; amin’ny foko manontolo no itandremako ny didinao. Mandry tahaka ny menaka ny fony; fa izaho kosa dia ny lalànanao no iravoravoako. Soa ihany aho nampahorina mba hianarako ny didinao. Ny lalànan’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy an’arivony. Ny tananao no nanao ahy sy nanamboatra ahy; omeo saina mahiratra aho mba hianarako ny didinao. Hahita ahy izay matahotra Anao ka ho faly, fa ny teninao no andrasako. Fantatro, TOMPO ô, fa marina ny fitsaranao ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy. Ny famindramponao anie no hampiononana ahy araka ny teninao tamin’ny mpanomponao. Aoka ho tonga amiko ny fiantranao mba ho velona aho, fa ny lalànanao no firavoravoako. Aoka ho menatra ny mpirehareha fa nampahory ahy tsy amin’antony izy; fa izaho dia misaintsaina ny didinao. Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao sy izay mahalala ny teny vavolombelonao. Aoka ho marina tsara ny foko amin’ny fitanana ny didinao mba tsy hahamenatra ahy. Reraka ny aiko satria manina ny famonjenao aho; ny teninao no andrasako. Pahina ny masoko miandry ny teninao ka hoy aho hoe: Rahoviana no hampionona ahy Ianao? Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ny setroka aho, nefa tsy mba hadinoiko ny didinao. Hafiriana ny andron’ny mpanomponao? Rahoviana Ianao no hanao fitsarana amin’izay manenjika ahy? Efa nihady lavaka hianjerako ny mpirehareha, dia izay tsy manaraka ny lalànanao. Marina ny didinao rehetra; manenjika ahy tsy amin’antony ireny; vonjeo aho. Saika nofongorany tamin’ny tany aho kanefa tsy mba mahafoy ny didinao aho. Velomy aho araka ny famindramponao, dia hitandrina ny teny vavolombelona naloaky ny vavanao aho. Ho mandrakizay, TOMPO ô, no nanorenanao any an-danitra ny teninao. Hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinanao; efa nampitoetra ny tany Ianao ka indro, mitoetra izy. Mitoetra ny zavatra rehetra ankehitriny, araka ny didinao, satria manompo Anao ny zavatra rehetra. Raha tsy ny lalanao no niravoravoako dia maty tamin’ny fahoriako aho. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa ireny no amelomanao ahy. Anao aho, vonjeo aho, fa ny didinao no tadiaviko. Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; mandinika ny teny vavolombelonao aho. Efa hitako fa manam-petra avokoa ny tanteraka rehetra ary tsy hita noanoa ny didinao. Endre ny fitiavako ny lalànanao! Fisaintsainako mandrakariva izany. Mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko ny didinao satria ato amiko mandrakizay ireny. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teny vavolombelonao no fisaintsainako. Hendry noho ny zokiolona aho satria ny didinao no tandremako. Arovako ny tongotro tsy ho amin’izay lalan-dratsy mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny fitsipikao aho fa Ianao no mampianatra ahy. Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao. Efa nianiana aho ka efaiko izany, fa hitandrina ny fitsipikao marina aho. Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho. TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao. Mandrakariva, an-tenda ihany ny aiko, kanefa tsy manadino ny lalànanao aho. Manao vela-pandrika haningotra ahy ny ratsy fanahy, kanefa tsy mania miala amin’ny didinao aho. Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teny vavolombelonao satria fifalian’ny foko izany. Apetrako ny foko hankatò ny didinao, mandrakizay, hatramin’ny farany. Halako ny mpiroa saina fa ny lalànanao no tiako. Fiereko sy ampingako Ianao; ny teninao no andrasako. Mialà amiko ianareo mpanao ratsy mba hitandremako ny didin’Andriamanitro. Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho. Tohàny aho mba ho voavonjy ka ho faly mandrakariva hijery ny didinao. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao eny, lainga ny fitaka ataony. Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; izany no itiavako ny teny vavolombelonao. Mipararetra ny nofoko noho ny fahatahorana Anao ary matahotra ny fitsaranao aho. Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; aza manolotra ahy ho amin’ny mpampahory ahy. Iantohy ny mpanomponao mba ho soa; aza avela hampahory ahy ny mpirehareha. Pahina ny masoko miandry ny famonjenao sy ny tenin’ny fahamarinanao. Ataovy amin’ny mpanomponao araka ny famindramponao ary ampianaro ahy ny didinao. Mpanomponao aho ka ampahirato ny saiko mba ho fantatro ny teny vavolombelonao. Efa andro tokony hampisehoan’NY TOMPO ny asany izao; fa mandika ny lalànanao ny olona. Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena; eny, noho ny volamena tsy miharo aza. Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; halako ny lalam-pitaka rehetra. Mahagaga ny teny vavolombelonao ka izany no itandremako azy. Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po. Mitanatana vava aho ka misento, fa ny didinao no iriko. Todiho aho ka mamindrà fo amiko, araka ny tokony ho anjaran’izay tia ny anaranao. Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. Vonjeo amin’ny fampahoriana ataon’ny olona aho dia hitandrina ny didinao. Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao ary ampianaro ahy ny didinao. Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànanao. Marina Ianao, TOMPO ô, ary mahitsy ny fitsaranao. Efa voadidinao amin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana feno ny teny vavolombelonao. Mandevona ahy ny zotom-poko satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. Voazaha toetra tamin’ny memy ny teninao ka tian’ny mpanomponao. Kely aho ka natao tsinontsinona, nefa tsy hadinoiko ny didinao. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay ary marina ny lalànanao. Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy, fa ny didinao no firavoravoako. Ny fahamarinan’ny teny vavolombelonao dia mandrakizay; omeo fahiratan-tsaina aho mba ho velona. Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako; Nitaraina taminao aho hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny didinao. Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako. Nialoha ny fotoam-piambenana amin’ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao. Henoy araka ny famindramponao ny feoko; TOMPO ô, velomy aho araka ny fitsipikao. Efa manakaiky ireo izay fatra-panaraka ny ratsy, dia izay manalavitra ny lalànanao. Akaiky Ianao, TOMPO ô, ary marina ny didinao rehetra. Efa fantatro ela tamin’ny teny vavolombelonao fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny. Jereo ny fahoriako ka vonjeo aho, fa tsy mba hadinoiko ny lalànanao. Soloy vava aho ka vonjeo; velomy araka ny teninao aho. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy tadiaviny ny didinao. Lehibe ny antranao, TOMPO ô; velomy aho araka ny fitsipikao. Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; tsy mba niala tamin’ny teny vavolombelonao aho. Mijery ny mpivadika aho ka maharikoriko ahy ireny, dia ireo tsy nitandrina ny teninao. Jereo ny fitiavako ny didinao! TOMPO ô, velomy aho araka ny famindramponao. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. Nanenjika ahy tsy amin’antony ny mpanapaka, nefa ny teninao no atahoran’ny foko. Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; ny lalànanao no tiako. Impito isanandro no iderako Anao noho ny fitsipikao marina. Be fiadanana izay tia ny lalànanao ary tsy misy mahatafintohina azy. Miandry ny famonjenao aho, TOMPO ô, ka mankatò ny didinao. Mitandrina ny teny vavolombelonao ny fanahiko ka tiako indrindra izany. Mitandrina ny didinao sy ny teny vavolombelonao aho, fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, TOMPO ô; omeo fahiratan-tsaina aho araka ny teninao. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; afaho aho araka ny teninao. Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao. Hankalaza ny teninao ny lelako, fa marina ny didinao rehetra. Aoka anie hamonjy ahy ny tananao, fa efa nifidy ny didinao aho. Efa manina ny famonjenao aho, TOMPO ô, ary ny lalànanao no firavoravoako. Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao. NY TOMPO no nitarainako tamin’ny fahoriako dia namaly ahy Izy. TOMPO ô, vonjeo ny fanahiko amin’ny molotra mandainga; eny, amin’ny lela mamitaka. Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, ry lela mamitaka? Zana-tsipìkan’ny mahery sady voaranitra, miaraka amin’ny vain’afon’anjavidy. Lozako fa mivahiny eto amin’ny Maseka aho ary mitoetra ato an-dain’ny Kedara! Ela loatra izay no nitoeran’ny fanahiko teo amin’izay tsy tia fihavanana. Raha izaho dia fihavanana no lazaiko; kanjo nony niteny aho dia mila ady kosa ireny. Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro, tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Israely. NY TOMPO no Mpiaro anao; NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao. Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina. Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any amin’ny tranon’NY TOMPO. Ny tongotray dia efa mijoro eo amin’ny vavahadinao, ry Jerosalema ô, dia ianao, ry Jerosalema, izay efa vita tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; any no iakaran’ny fokom-pirenena, dia ireo fokom-pirenen’NY TOMPO; lalàna amin’ny Israely izany mba hisaotra ny anaran’NY TOMPO. Fa any no misy ireo sezan’ny fitsarana, dia ny sezafiandrianan’ny mpianakavin’i Davida. Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema; hambinina anie izay tia anao; fiadanana anie ho ao anatin’ireo mandanao; fanambinana anie ho ao amin’ireo lapanao. Noho ny rahalahiko sy ny namako no hilazako hoe: Fiadanana anie ho ao anatinao. Noho ny tranon’NY TOMPO Andriamanitsika dia hitady izay hahatsara anao aho. Aminao no anandratako ny masoko, ry Ilay mitoetra any an-danitra. Indro, toy ny fijerin’ny mpanompolahy ny tanan’ny tompolahiny, ary toy ny fijerin’ny mpanompovavy ny tanan’ny tompovaviny, no fijerintsika NY TOMPO Andriamanitsika, mandra-pamindrany fo amintsika. Mamindrà fo aminay, TOMPO ô, mamindrà fo aminay, fa tototry ny fanamavoana loatra izahay; eny, tototra loatra izahay, dia ny famingavingan’ny miadana sy ny fanamavoan’ny mpiavonavona. Raha tsy NY TOMPO no nomba antsika; eny, aoka holazain’ny Israely hoe: Raha tsy NY TOMPO no nomba antsika, raha nitsangana hamely antsika ny olona, dia ho nitelina antsika velona izy; raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany dia ho nandifotra antsika ny rano ary nanafotra antsika ny riaka; eny, ho nanafotra antsika ny rano misafoaka. Isaorana anie NY TOMPO izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ny nifiny. Isika dia afa-nandositra tahaka ny vorona afaka tamin’ny fandriky ny mpihaza; tapaka ny fandrika ka afaka isika. Ny famonjena antsika dia amin’ny anaran’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Izay matoky NY TOMPO dia tahaka ny tendrombohitra Ziona izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay. Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema no anodidinan’NY TOMPO ny olony hatramin’izao ka ho mandrakizay. Fa tsy hitoetra eo amin’ny anjaran’ny marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy, fandrao hanainga ny tanany hanendry zava-dratsy ny marina. TOMPO ô, manaova soa amin’ny tsara sy ny mahitsy fo. Fa izay mivily ho amin’ny sakeli-dalana mivilivily dia horoahin’NY TOMPO miaraka amin’ny mpanao ratsy! Fiadanana anie ho amin’ny Israely. Fony NY TOMPO nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany dia tahaka izay nanonofy isika. Fahiny dia feno hehy ny vavantsika ary feno fihobiana ny lelantsika; tamin’izay dia izao no notenenin’ny Jentilisa: Zava-dehibe no nataon’NY TOMPO ho an’ireny. Eny, zava-dehibe no nataon’NY TOMPO ho antsika ka faly isika. Tanteraho, TOMPO ô, ny fampodiana anay avy amin’ny fahababoana, tahaka ny fiverenan’ny riaka any Negeva. Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amim-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa hafafiny izy fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa. Raha tsy NY TOMPO no manorina ny trano dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy NY TOMPO no miambina ny tanàna dia miari-tory foana ny mpiambina. Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana; izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy. Indro, lova avy amin’NY TOMPO ny zanaka maro, valisoa ny ateraky ny kibo. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady. Sambatra izay rehetra matahotra NY TOMPO, dia izay mandeha amin’ny lalany. Fa hohaninao tokoa ny vokatry ny asan’ny tananao; sambatra sady ambinina ianao. Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao. Indro, toy izany no hitahiana izay lehilahy matahotra NY TOMPO. Hitahy anao avy any Ziona anie NY TOMPO; ary ho faly hahita ny fahasoavan’i Jerosalema anie ianao amin’ny andro rehetra iainanao. Eny, hahita ny zafinao anie ianao. Fiadanana anie ho amin’ny Israely. Nampahoriany matetika aho hatry ny fony aho mbola tanora: eny, aoka hataon’ny Israely hoe: Nampahoriany matetika aho hatry ny fony aho mbola tanora, nefa tsy naharesy ahy izy. Toy ny fanaon’ny mpiasa tany no niasany ny lamosiko ka nanalava ny vavaasany izy. Marina NY TOMPO; efa notapahany ny fatorana nataon’ny ratsy fanahy. Aoka ho menatra sy hihemotra izay rehetra mankahala an’i Ziona. Aoka izy ho tahaka ny ahitra eo an- tampon-trano izay malazo na dia tsy misy manongotra azy aza; tsy misy mpijinja mameno tanana na mpamehy amboara mameno tratra amin’izany; koa tsy hisy mpandalo hiteny hoe: Hotahin’NY TOMPO anie ianareo; eny, ny anaran’NY TOMPO no itsofanay rano anareo. Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, TOMPO ô, Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako. Raha mitahiry heloka Ianao, TOMPO ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa ao Aminao no misy ny famelan-keloka mba hatahorana Anao. Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako. Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina. Manantenà NY TOMPO, ry Israely, fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo sy ny fanavotana be. Izy no hanavotra ny Israely ho afaka amin’ny helony rehetra. TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko ary tsy miandranandrana ny masoko; tsy misaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro. Fa tony sady mangina tsara ny fanahiko ato anatiko; tahaka ny zaza eo amin’ny reniny eny, tahaka ny zazakely eo amin’ny reniny ny fanahiko. Ry Israely ô, manantenà NY TOMPO, hatramin’izao ka ho mandrakizay. TOMPO ô, tsarovy i Davida noho ny zavatra rehetra nanjo azy, tamin’ilay nianianany tamin’NY TOMPO sy nanaovany voady tamin’ny Maherin’i Jakoba hoe: Tsy mba hiditra ao an-daiko aho na hiakatra amin’ny farafara fandriako, tsy mba havelako hatory ny masoko, na ho rendrehana ny hodimasoko, mandra-pahitako fitoerana ho an’NY TOMPO, dia fonenana ho an’ny Maherin’i Jakoba. Indro, nandre azy tany Efrata isika; nahita azy tany an-tsahan’i Jara isika. Aoka hiditra any amin’ny fonenany isika ka hiankohoka eo amin’ny fitoeran-tongony. Mitsangàna, TOMPO ô, ho amin’ny fitsaharanao, dia Ianao sy ny vata misy ny Fanekena misy ny herinao. Aoka ny mpisoronao hitafy fahamarinana ary aoka ny olonao masina hihoby. Noho ny amin’i Davida mpanomponao dia aza mampiala maina ny tavan’ny voahosotrao. Efa nianiana marina tamin’i Davida NY TOMPO ka tsy hitsoahany izany: Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin’ny sezafiandriananao. Raha tandreman’ny zanakao ny fanekeko sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, dia ny zanany kosa no handimby tsy tapaka anao eo ambonin’ny sezafiandriananao. Fa NY TOMPO efa nifidy an’i Ziona ary naniry azy ho fonenany. Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; eto no honenako fa efa niriko ity. Hotahiko tokoa ny fihinana ao; hovokisako hanina ny mahantra ao. Ny mpisorona ao dia hampitafiako famonjena ary hihoby tokoa ny olo-masina ao. Ao no hampitsimohako tandroka ho an’i Davida sy hanamboarako jiro ho an’ny voahosotro. Hampitafiako henatra ny fahavalony; fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satroboninahiny. Endre! Tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina. Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny morontongotr’akanjony. Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona; fa voatendrin’NY TOMPO ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay. Andeha, misaora NY TOMPO, ianareo rehetra mpanompon’NY TOMPO, izay maharitra alina ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Manandrata ny tananareo mankany amin’ny fitoerana masina ka misaora NY TOMPO. Hitahy anao avy ao Ziona anie NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Haleloia. Miderà ny anaran’NY TOMPO; miderà Azy, ianareo mpanompon’NY TOMPO, ianareo izay maharitra ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ao anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitsika. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; mankalazà ny anarany fa mahafinaritra izany. Fa nofidin’NY TOMPO ho Azy i Jakoba ary ho rakitra soa ho Azy Israely. Fa fantatro fa lehibe NY TOMPO ary ambonin’ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. Manao izay sitrapony rehetra NY TOMPO, na any amin’ny lanitra, na etỳ ambonin’ny tany, na any amin’ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. Mampiakatra zavona avy amin’ny faran’ny tany Izy; manao tselatra arahin-dranonorana Izy; mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitahirizany azy Izy. Izy no namely ny voalohan-terak’i Ejipta, na olona na biby. Nandefa famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Ejipta ô; eny, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra, dia Ilay namely ny Jentilisa maro ka nahafaty mpanjaka mahery, dia i Sihona mpanjakan’ny Amorita sy i Oga mpanjakan’i Basana ary ny fanjakan’i Kanana rehetra; ary ny tanin’ireo dia nomeny ho lova; eny, ho lovan’ny Israely olony. TOMPO ô, mandrakizay ny anaranao; TOMPO ô, hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahatsiarovana Anao. Fa hanome rariny ny olony Izy ary hanenina ny amin’ny mpanompony. Ny sampin’ny Jentilisa dia volafotsy sy volamena, izay asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy. Misaora NY TOMPO, ry taranak’Israely; misaora NY TOMPO, ry taranak’i Arona; misaora NY TOMPO, ry taranak’i Levy; ianareo izay matahotra NY TOMPO, misaora NY TOMPO. Isaorana avy any Ziona anie NY TOMPO izay monina any Jerosalema. Haleloia. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony! Miderà an’Andriamanitry ny andriamanitra rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony! Miderà ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindrampony! Izy irery no manao fahagagana lehibe, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nanao ny lanitra tamin’ny fahendrena, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay namelatra ny tany ho ambonin’ny rano, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nanao ireo fanazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindrampony! Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay namely ny voalohan-terak’i Ejipta, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka nitondra ny Israely nivoaka avy teo aminy, fa mandrakizay ny famindrampony! Tamin’ny tanana mahery sy ny sandry nitsotra, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka nampandeha ny Israely namakivaky teo afovoany, fa mandrakizay ny famindrampony! Fa nanary an’i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nitondra ny olony nitety ny tany efitra, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay namely mpanjaka lehibe maro, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka nahafaty mpanjaka malaza, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, fa mandrakizay ny famindrampony! Sy i Oga, mpanjakan’i Basana, fa mandrakizay ny famindrampony! Ary nomeny ho lova ny taniny, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia ho lovan’ny Israely mpanompony, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nahatsiaro antsika fony isika nohambaniana, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ny fahavalontsika, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay manome hanina ny nofo rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony! Miderà an’Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindrampony! Teo amoron’ny onin’i Babilona no nipetrahanay sady nitomanianay raha nahatsiaro an’i Ziona izahay. Teo amin’ny hazomalahelo teo afovoan’i Babilona no nanantonanay ny lokanganay. Fa teo dia nangataka anay hihira ny mpamabo anay ary ny mpampahory anay dia nangataka anay hanao fifaliana ka niteny hoe: Manaova hiran’i Ziona eto anatrehanay. Nefa ho nataontsika ahoana ny ho fihira ny hiran’NY TOMPO tany an-tany fivahinianana? Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, dia aoka ny tanako havanana mba hanadino. Raha tsy mahatsiaro anao aho dia aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko, raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ny fifaliako rehetra. TOMPO ô, tsarovy amin’ny taranak’i Edoma ny andron’i Jerosalema, dia ireo izay nilaza hoe: Ravao, ravao izy hatramin’ny fanorenany. Ry Babilona zanakavavy izay an-dalana ho rava, sambatra izay mamaly anao araka izay nataonao taminay. Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro amin’ny harambato. Midera Anao amin’ny foko manontolo aho; eo anatrehan’ireo andriamanitra no ankalazako Anao amin’ny hira. Miankohoka manandrify ny tempolinao masina aho ka midera ny anaranao noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao; fa efa nomenao voninahitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ny anaranao sy ny teninao. Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko. TOMPO ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany fa handre ny tenin’ny vavanao izy. Eny, hihira ny amin’ny lalan’NY TOMPO izy, fa lehibe ny voninahitry NY TOMPO. Fa na dia avo aza NY TOMPO dia mijery ny manetry tena ary ny mpiavonavona dia fantany eny lavitra eny. Na dia handeha ao anatin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; hanatsotra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra; TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao. Aza mahafoy ny asan’ny tananao. TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao aho, na mandeha, na mandry, ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny dia efa fantatrao izy rehetra. Manodidina ahy ao aorianako sy eo alohako Ianao ary apetrakao amiko ny tananao. Fahalalana mahagaga ahy loatra izany; eny, avo loatra ka tsy takatro. Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Ianao; na dia manao ny fitoeran’ny maty ho fandriako aza aho dia indro, any Ianao. Na dia maka ny elatry ny maraina mba honina any am-paran’ny ranomasina aza aho dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Manonona Anao hoenti-mamitaka izy; eny, ny fahavalonao dia manonona Anao foana. Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, TOMPO ô, ary ho rikoriko amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Tena halako marina tokoa ireny; fahavaloko ireny. Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho. TOMPO ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho ary arovy amin’ny mpampihorohoro izay mikotrika hevi-dratsy ao am-pony ka manangana ady isanandro. Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony. TOMPO ô, vonjeo amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho ary arovy amin’ny mpampihorohoro izay mihevitra handronjina ahy ho potraka. Ny mpiavonavona dia manafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; manao vela-pandrika harato eo amoron-dalana izy; nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy. Hoy aho tamin’NY TOMPO: Andriamanitro Ianao; henoy ny feon’ny fifonako, TOMPO ô! TOMPO Andriamanitra ô, ry Herin’ny famonjena ahy, manarona ny lohako Ianao amin’ny andro fiadiana. TOMPO ô, aza omena ny ratsy fanahy izay iriny ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. Ny lohan’izay manemitra ahy dia aoka hosaronan’ny ratsy tononin’ny molony. Aoka hisy vainafo halatsaka aminy; aoka hariana any anaty afo izy na any an-davaka lalina ka tsy hiarina intsony. Tsy hampitoerina amin’ny tany ny olona mahay vava; henjehin-doza ny mpampihorohoro ka ho lavo. Fantatro fa NY TOMPO no handahatra ny tenin’ny ory sady hanome rariny ho an’ny mahantra. Eny tokoa, hisaotra ny anaranao ny marina; hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy. TOMPO ô, miantso Anao aho, faingàna hankaty amiko; henoy ny feoko amin’ny fiantsoako Anao. Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny vavaka ataoko ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako. TOMPO ô, asio fiambenana ny vavako; ambeno ny varavaran’ny molotro. Aza avela hirona ho amin’ny zava-dratsy ny foko hiray raharaha amin’ny olona mpanao ratsy ka hanao izay asa tsy mety, ary aoka tsy hihinana ny haniny matsiro aho. Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handa izany ny lohako; fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ireny. Havarina amin’ny hantsam-bato ny mpitsara azy, dia hankasitraka ny teniko ny olona fa mamy izany. Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany no nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ny fitoeran’ny maty. Fa Ianao no andrandrain’ny masoko, TOMPO Andriamanitra ô; Ianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko. Arovy aho amin’ny fandrika amandrihany ahy sy amin’ny tadivavaran’ny mpanao ratsy. Aoka ho latsaka eo anatin’ny fandrika nataony ihany ny ratsy fanahy fa izaho kosa dia handalo fotsiny. Ny feoko no itarainako amin’NY TOMPO; ny feoko no ifonako amin’NY TOMPO. Loarako eo anatrehany ny fitarainako; ambarako eo anatrehany ny fahoriako. Raha reraka ato anatiko ny fanahiko dia fantatrao ny alehako; eo amin’ny lalana izorako no nanafenany fandrika hamandrihany ahy. Jereo eo amin’ny ankavanana ka zahao fa tsy misy olona mahafantatra ahy; foana avokoa ny toerana fialofako; tsy misy miahy ny fanahiko. Mitaraina aminao aho, TOMPO ô; hoy aho: Ianao no aroko sy anjarako eo amin’ny tanin’ny velona. Henoy ny fitarainako fa reraka loatra aho; afaho amin’ny mpanenjika ahy aho fa tsy leoko ireny. Avoahy hiala amin’ny tranomaizina ny fanahiko mba hiderako ny anaranao; hanodidina ahy ny marina satria manisy soa ahy Ianao. TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko ary atongilano amin’ny fifonako ny sofinao; valio araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao aho. Aza dia mifandahatra amin’ny mpanomponao eo am-pitsarana fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao. Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; namely ny aiko ho lavo tamin’ny tany izy; nampitoeriny tao amin’ny maizina aho, toy izay efa maty ela. Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; fadiranovana ny foko ato anatiko. Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra; ny asan’ny tananao no eritreretiko. Manandra-tanana Aminao aho; ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. Faingàna hamaly ahy, TOMPO ô, fa reraka ny fanahiko. Aza manafina ny tavanao amiko, fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho. Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina fa Ianao no itokiako. Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako fa Aminao no anandratako ny fanahiko. TOMPO ô, afaho amin’ny fahavaloko aho; ao Aminao no iereko. Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina. Noho ny anaranao, TOMPO ô, dia velomy aho; araka ny fahamarinanao dia avoahy ho afaka amin’ny fahoriana ny fanahiko. Ary araka ny famindramponao dia fongory ny fahavaloko ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko fa mpanomponao aho. Isaorana anie NY TOMPO Vatolampiko izay mampianatra ny tanako hamely sy ny rantsan-tanako hiady, izay Mpiantra sy manda fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy ary ampingako ka ao Aminy no ialofako, izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy. TOMPO ô, inona moa ny olona no iahianao azy? Ary ny zanak’olombelona no iheveranao azy? Ny olona dia tahaka ny zava-poana. Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. TOMPO ô, aondreho ny lanitrao ka midìna; tendreo ny tendrombohitra dia hidona-tsetroka ireny. Ampitselatselaro ny tselatra ka ampielezo ireo; alefaso ny zana-tsipìkanao ka ampifanaritaho ireo. Atsory avy any ambony ny tananao; afaho aho ka vonjeo amin’ny ranobe, dia amin’ny tanan’ny hafa firenena izay miteny zava-poana amin’ny vavany ary ny tanany havanana dia tanana havanana mamitaka. Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; amin’ny valiha tory folo no hankalazako Anao izay manome famonjena ho an’ireo mpanjaka sady mamonjy an’i Davida mpanompony tsy ho voan’ny sabatra mandratra. Afaho aho ka vonjeo amin’ny tanan’ny hafa firenena izay miteny zava-poana amin’ny vavany ary ny tanany havanana dia tanana havanana mamitaka. Mba ho tahaka ny zavamaniry maroroka ny zanakay lahy ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ny lapan’ny mpanjaka ny zanakay vavy. Ho feno ny trano fitahirizanay ka hisy vokatra betsaka samihafa karazana; hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay; hahazaka be ny ombinay ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, sady tsy hisy fitarainana any an-kianjanay. Sambatra ny firenena izay tahaka izany; eny, sambatra ny firenena izay manana NY TOMPO ho Andriamaniny. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, ary hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isanandro aho ary hidera ny anaranao mandrakizay doria. Lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra; tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe. Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona ary ny fahalehibiazanao no hotantaraiko. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy ary hihoby ny fahamarinanao. Mamindra fo sy miantra NY TOMPO, mahari-po sady be famindrampo Izy. Manisy soa ny rehetra NY TOMPO ary ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra. TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra ary misaotra Anao ny olonao masina. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao mba hampahafantarana ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao ary hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahefanao. NY TOMPO manohana izay rehetra lavo ary mampitraka izay rehetra mitanondrika. Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao. Manokatra ny tananao Ianao ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra. Marina NY TOMPO amin’ny lalany rehetra, sady mamindra fo amin’ny asany rehetra. NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. Miaro izay rehetra tia Azy NY TOMPO, fa ny ratsy fanahy rehetra kosa dia haringany. Ny fiderana NY TOMPO no hotenenin’ny vavako; ary aoka hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria ny nofo rehetra. Haleloia. Miderà NY TOMPO, ry fanahiko! Hidera NY TOMPO aho raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa. Aza matoky ny mpanapaka, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy ka miverina ho amin’ny tany izy ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaniny izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny; izay mitandrina fahamarinana mandrakizay; izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra; NY TOMPO no mampahiratra ny jamba; NY TOMPO no mampitraka ny mitanondrika; NY TOMPO no tia ny marina; NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa. NY TOMPO no manjaka mandrakizay, ho an’ny taranaka fara aman-dimby ny Andriamanitrao ry Ziona. Haleloia. Haleloia, fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika; eny, mamy sady mendrika ny fiderana. Manangana an’i Jerosalema NY TOMPO; mamory ny Israely voaroaka Izy. Manasitrana ny torotoro fo Izy ary mamehy ny feriny. Milaza ny isan’ny kintana Izy; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny. Lehibe ny Tompontsika sady be hery; tsy hita lany ny fahalalany. Manohana ny mpandefitra NY TOMPO, fa mampietry ny ratsy fanahy hatrany amin’ny tany. Mihirà fiderana ho an’NY TOMPO; mankalazà an’Andriamanitsika amin’ny lokanga. Izy no manaron-drahona ny lanitra, Izy no manamboatra ranonorana ho amin’ny tany, Izy no mampaniry ahitra ny tendrombohitra, Izy no manome hanina ho an’ny biby sy ho an’ny zana-goaika izay mitaraina. Tsy ny herin’ny soavaly no mahafinaritra Azy ary tsy ny ranjon’ny lehilahy no ankasitrahany. Mankasitraka izay matahotra Azy NY TOMPO, dia izay manantena ny famindrampony. Mankalazà NY TOMPO, ry Jerosalema ô! Miderà an’Andriamanitrao, ry Ziona ô. Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy sady mitahy ny zanakao eo ampofoanao. Mahatonga ny faritaninao handry fahalemana Izy; vokisany vary tsara indrindra ianao. Mampandeha ny didiny ho amin’ny tany Izy; miely haingana be ny teniny. Mandatsaka orampanala tahaka ny volon’ondry Izy; mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. Mandatsaka ny havandrany tahaka ny sombintsombin-javatra Izy; iza no maharitra ny hatsiakany? Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; mampifofofofo ny rivony Izy dia mandriaka ny rano. Manambara ny teniny amin’i Jakoba Izy ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ny Israely. Tsy nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy ary ny fitsipiny dia tsy mba fantatr’ireny. Haleloia. Haleloia. Miderà NY TOMPO avy any an-danitra, miderà Azy, ianareo any ambony. Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra. Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, ary ianareo rano any ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny anaran’NY TOMPO ireo, fa Izy no nandidy dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; nomeny lalàna ireo ka tsy hihoatra izany. Miderà NY TOMPO avy etỳ an-tany. Ianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra, ny afo sy ny havandra, ny orampanala sy ny zavona, ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra, ny bibidia sy ny biby fiompy rehetra, ny biby mandady na mikisaka ary ny voromanidina, ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra, ny mpitondra sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany, na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny antitra na ny tanora, samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy, dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra; eny, ho an’ny Zanak’Israely, firenena akaiky Azy. Haleloia. Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; manaova hira fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina. Aoka hifaly amin’ny Mpanao azy ny Israely; aoka hiravoravo amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona. Aoka hidera ny anarany amin’ny dihy izy ary hankalaza Azy amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga. Fa sitraky NY TOMPO ny olony, ravahany famonjena ny mpandefitra. Aoka hiravoravo amin’ny voninahitra ny olona masina; aoka hihoby tsara eo am-pandrianany izy. Aoka hisy fanandratana an’Andriamanitra eo am-bavany ary sabatra roa lela eny an-tanany, hamaliany ny Jentilisa sy hamaizany ny firenena maro, hamatorany ireo mpanjakany amin’ny gadra, sy ny olo-malazany amin’ny gadra vy, mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: voninahitry ny olony masina rehetra izany. Haleloia. Haleloia. Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny. Miderà Azy noho ny asany lehibe. Miderà Azy araka halehibiazan’ny voninahiny. Miderà Azy amin’ny fitsofana ny anjomara. Miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy amin’ny ampongatapaka sy ny dihy. Miderà Azy amin’ny zavamaneno tendrena sy ny sodina. Miderà Azy amin’ny kipantsona maneno. Miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo. Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera NY TOMPO. Haleloia. Ohabolan’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Israely, hahalalana fahendrena sy fananarana, hahatakarana izay lazain’ny fahalalana, handraisana fananarana mampahahendry, dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; hanomezana hakingana ho an’ny tso-po, ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an’ny zatovo. Aoka hihaino ny hendry ka hitombo fahalalana; ary aoka ny mahira-tsaina hahazo fahaiza-mitondra, hahazoany ny hevitry ny ohabolana sy ny teny saro-takarina mbamin’ny tenin’ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony. Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahalalana; fa ny adala dia manamavo ny fahendrena sy ny anatra. Anaka, mihainoa ny fananaran’ny rainao, ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao; fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany ary firavaka iambozonanao. Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao dia aza manaiky. Raha hoy izy ireo hoe: Andeha hiaraka aminay, andeha isika hanao vela-pandrika handatsa-dra, andeha hofandrihantsika tsy amin’antony ny tsy manan-tsiny, andeha isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ny fitoeran’ny maty ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka an-davaka, dia ho antsika ny fananana sarobidy isan-karazany rehetra ka hofenointsika babo ny tranontsika. Avia hiara-miloka aminay ianao ka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra! Anaka, aza miara-dalana aminy ianao, arovy tsy hankany amin’ny alehany ny tongotrao; eny, ny tongony mihazakazaka ho amin’ny ratsy ary mailaka erỳ izy handatsa-dra. Foana ny amelarana ny fandrika raha hitan’ny manana elatra rehetra. Ireny mantsy dia manao vela-pandrika handatsa-dra ny tenany ihany, mamitsaka izy, nefa ny tenany ihany no ho faty. Toy izany no hiafaran’izay rehetra fatra-pitady harena tsy marina; fa hipaoka ny ain’izay fatra-pitady azy izany. Miantso mafy eny an-dalambe ny Fahendrena, manandratra ny feony eny amin’ny kianja malalaka izy; miantsoantso eny an-tampon’ny toerana feno tabataba izy; eny am-bavahadin’ny tanàna no anambaràny ny teniny hoe: Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny hadalana sy hifalian’ny mpaniratsira amin’ny faniratsirana ary hankahalan’ny adala ny fahalalana? Miverena ianareo hihaino ny fananarako! Indro, haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko. Satria efa niantso aho, nefa nandà ianareo; efa nanatsotra ny tanako aho, nefa tsy nisy niraharaha. Nohamavoinareo ny torohevitra rehetra natolotro sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo; Izaho kosa dia hihomehy, rehefa manjo anareo ny loza; handatsa aho, rehefa tonga izay mahatahotra anareo, rehefa tonga tahaka ny rivo-doza ny zava-mahatahotra anareo, ary ny loza ho avy toy ny tadio ka manjo anareo ny fahoriana sy ny tebiteby. Amin’izay dia hiantso ahy izy, nefa tsy hamaly aho; hitady ahy fatratra izy, nefa tsy ho hitany aho. Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana NY TOMPO; satria tsy nila ny saina natolotro izy fa notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, dia hihinana ny vokatry ny alehany izy ka ho voky ny torohevitra avy amin’ny tenany. Fa hahafaty ny kely saina ny fihemorany, ary ny tokitoky foanan’ny adala no handringana azy. Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy; eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza. Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko ka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao, ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa NY TOMPO no manome fahendrena; avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina. Mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy fo Izy, ary ampinga ho an’izay mandeha tsy misy tsiny; mitandrina ny lalan’ny fahamarinana Izy, ary miaro ny lalan’ny olony masina. Amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra. Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika, ary hiambina anao ny fahalalana ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy sy amin’ny lehilahy miteny fitaka, amin’izay mahafoy ny lalana mahitsy ka mizotra ho amin’ny lalan’ny fahamaizinana, dia izay faly hanao ratsy sady mibitaka amin’ny fanaovam-pitaka, dia izay miolikolika lalana sy maniasia amin’ny alehany; hanafaka anao amin’ny vehivavy jejo koa izany, dia amin’ny vehivavy janga izay mandokadoka amin’ny teniny, izay mahafoy ny sakaizan’ny fahatanorany sy manadino ny fanekena nataony tamin’Andriamaniny; fa mirona ho amin’ny fahafatesana ny tranony, ary mankany amin’ny maty ny lalany. Tsy misy tafaverina izay mankany aminy sady tsy afaka mihazo ny lalan’ny fahavelomana. Izany no handehananao amin’ny lalan’ny tsara fanahy sy hitandremanao ny alehan’ny marina. Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao. Fa hofongorana amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy, ary ny mpivadika dia hongotana. Anaka, aza manadino ny fampianarako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana. Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; aoka iambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka, dia hahita fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao. Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao. Aza mihevi-tena ho hendry; matahora NY TOMPO ka mifadia ny ratsy dia ho famelombelomana ny nofonao izany sy ho fampangatsiatsiahana ny taolanao. Mankalazà NY TOMPO amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra, dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka. Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO, ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony; fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany. Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana! Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena; sarobidy noho ny voahangy izy, ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana, ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia. Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra. Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona. Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany; raketo ny tena fahendrena sy ny fahaiza-mandinika, dia ho aina ho an’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao. Dia hizotra amin’ny lalanao amin-toky ianao ka tsy ho tafintohina ny tongotrao. Tsy hatahotra ianao raha mandry; eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao. Aza manahy ny fampitahorana avy tampoka, na ny loza mandringana afitsoky ny ratsy fanahy raha avy izany; fa NY TOMPO no ho tokinao ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika. Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy raha azon’ny tananao atao ihany. Aza miteny amin’ny namanao hoe: Mandehana ka miverena, fa rahampitso no homeko! Kanefa manana ihany ianao. Aza mamorona sain-dratsy hoenti-mamely ny namanao raha mitoetra tsy manana ahiahy ao aminao izy. Aza miady amin’olona tsy amin’antony raha tsy nanisy ratsy anao izy. Aza mialona ny mpanao herisetra na mifidy izay lalany akory. Satria fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny mpivadika, fa ireo marina kosa no ataony sakaiza; ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’NY TOMPO, fa tahiny kosa ny fonenan’ny marina; tsiratsirainy ny mpaniratsira, fa omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra; handova voninahitra ny hendry, fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala, Henoinareo, anaka, ny anatry ny ray, ary tandremo izany mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. Fa anatra tsara no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako. Fa zanak’Ikaky aho, sady malala no tokana teo imason’Ineny. Nampianatra ahy izy hoe: Aoka ny fonao hihazona ny teniko! Tandremo ny didiko dia ho velona ianao. Mikatsaha fahendrena, mikatsaha fahiratan-tsaina; aza hadinoina na ialana ny teny efa nataoko. Aza mahafoy azy fa hiaro anao izy; tiavo izy dia hitandrina anao. Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara. Asandrato izy dia hanandratra anao; eny, hanome voninahitra anao izy raha fihininao; hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao. Mihainoa anaka ka raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. Lalam-pahendrena no atoroko anao; eny, mitarika anao amin’ny lalana mahitsy aho. Raha mandeha ianao dia tsy ho voasembantsembana ny dianao; raha mihazakazaka ianao dia tsy ho tafintohina. Tano mafy ny fananarana ka aza avela hiala; hazòny izy fa ainao. Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny mpanao ratsy. Manalavira azy, aza mandalo eo akory; mivilia hiala aminy ka mizora amin’ny lalanao. Fa tsy matory ireny raha tsy efa nahavita izay ratsy, ary tsy mahita tory izy raha tsy efa nahalavo olona. Fa mihinana mofo avy amin’ny fanaovan-dratsy izy, ary misotro divay azo tamin’ny herisetra. Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro. Ny lalan’ny ratsy fanahy dia toy ny haizim-pito; tsy fantany akory izay mahatafintohina azy. Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino izay ambarako. Aza avela hiala eo imasonao izany fa raketo ao anatin’ny fonao; fa aina ho an’izay mahazo azy izany ary fanasitranana ho an’ny tenany manontolo. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina. Esory aminao ny fiteny mandainga, ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Ataovy marina ny lalana alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny alehanao rehetra. Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; aoka hihataka amin’ny ratsy ny tongotrao. Anaka, tandremo ny fahendreko, ary atongilano ny sofinao ho amin’ny fahaizako mandinika mba hitahirizanao tsara ny fahaiza-mandinika sy hitandreman’ny molotrao ny fahalalana. Fa ny molotry ny vehivavy janga dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; nefa ny farany dia mafaitra toy ny zava-mangidy, ary maranitra toy ny sabatra roa lela. Ny tongony dia midina ho any amin’ny fahafatesana, ary ny diany mizotra ho any amin’ny fitoeran’ny maty. Tsy mandia ny lalan’ny fiainana izy fa manjenjena ka tsy fantany akory izay halehany. Koa mihainoa ahy ianareo anaka, ary aza mihataka amin’ny teny izay nolazaiko. Ampanalaviro azy ny alehanao, ary aza manakaiky ny varavaran’ny tranony, fandrao omenao ho an’ny sasany ny voninahitrao, ary ny taonanao ho an’izay olon-dozabe; fandrao hivokisan’ny olon-kafa ny fanananao, ary ho lasa any an-tranon’ny vahiny ny vokatry ny fisasaranao; fandrao hitoloko ianao aorianan’izany, raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao ary hiteny ianao hoe: Nahoana re no nankahala fananarana aho? Ary nahoana no naniratsira ny fanitsiana ny foko? Ka tsy nihaino ny tenin’ny mpanoro hevitra ahy ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy? Efa saika azon’ny loza rehetra aho tao amin’ny fiangonana sy ny fivorian’ny olona. Misotroa avy amin’ny lavaka famorian-drano izay anao samirery, dia ny rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao. Hitosaka eny ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, ary eny an-dalambe ny ranovelonao? Aoka ho anao irery ihany izany fa aza iombonana amin’ny hafa. Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao. Nahoana ianao anaka no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo ka hamihina ny tratran’ny janga? Fa eo imason’NY TOMPO ny alehan’ny olona, ary dinihiny avokoa ny diany rehetra. Mamandrika ny tenany ihany ny heloky ny ratsy fanahy, ary ny kofehin’ny fahotany no hihazona azy. Maty izy noho ny tsy nahazoany fananarana, very izy noho ny haben’ny hadalany. Anaka, raha niantoka ny namanao ianao, ary nandray tanana hiantoka vahiny, ka voafandriky ny teny nataonao, ary voasingotry ny teny noteneninao, dia izao no ataovy anaka mba hanafaka ny tenanao satria tonga eo am-pelatanan’ny namanao ianao: Mandehana miankohoka sy mifona mafy amin’ny namanao; aza avela hahita tory ny masonao ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao; afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ny tanan’ny mpihaza, ary toy ny voronkely miala amin’ny tanan’ny mpamandrika. Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony ka mba hendre. Tsy manana komandy, na mpanara-maso, na mpanapaka izy, nefa mamory ny haniny amin’ny fahavaratra, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano. Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ny torimasonao ianao? Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany ary mbola hanohon-tanana kely hatory. Dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely anao ny fahantranao, ary ny fahasahirananao dia ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana. Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy, dia ilay mandehandeha manao teny misy fitaka izay mipy maso sy manao famantarana amin’ny tongony, ary manao baiko amin’ny rantsantanany; hafetsen-dratsy no ao am-pony, mihevi-dratsy mandrakariva izy sady mamafy adilahy. Noho izany dia ho avy tampoka ny loza hanjo azy; indray mipy maso no haha torotoro azy ka tsy hisy fanafana. Zavatra enina no halan’NY TOMPO, eny, fito no fahavetavetana eo anatrehany: Ny fijery mianjonanjona, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny vavolombelona mandainga izay milaza lainga ary ny mamafy ady eo amin’ny mpirahalahy. Anaka, tandremo ny didin’ny rainao ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao. Afatory amin’ny fonao mandrakariva ireo ary afehezo eo am-bozonao. Raha mandeha ianao dia hitari-dalana anao ireo, raha mandry ianao dia hiambina anao izy, raha mifoha ianao dia hamelona eritreritra anao izy. Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny fampianarana, ary lalan’ny fiainana ny anatra ataon’ny fitaizana, hiarovana anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy sy amin’ny fandrobohan’ny lelan’ny vehivavy janga. Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy. Fa sombi-mofo iray ihany dia ahazoana vehivavy janga iray, nefa ny vehivavy manambady kosa dia mamandrika aina sarobidy. Mahatondra afo ao amin’ny paosin’akanjony va ny olona ka tsy ho may ny akanjony? Misy mahadia vainafo va ka tsy ho may ny tongony? Dia toy izany izay mankany amin’ny vadin’ny namany; tsy ho afa-tsiny izay mikasika azy. Tsy manome tsiny ny mpangalatra ny olona raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy satria noana; fa raha tratra kosa izy dia hampanonerina avo fito heny ka hanome ny fananany rehetra izay ao an-tranony. Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; izay ta hanimba tena no manao izany. Voadaroka sady afa-baraka izy ary tsy ho voafafa ny tondro molotra manjo azy. Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran’ny lehilahy, koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany; tsy handray vola ho fanakona-maso akory izy; tsy hanaiky izy, na dia atao maro aza ny fanomezana. Anaka, tandremo ny teniko ary raketo ao aminao ny didiko. Tandremo ny didiko dia ho velona ianao ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalànako. Afehezo eo amin’ny rantsantananao ireny ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka ireny. Lazao amin’ny fahendrena hoe: Anabaviko ianao! Ary ny fahaiza-misaina dia antsoy hoe: Havako akaiky ianao mba hiarovana anao amin’ny vehivavy jejo, dia amin’ny vehivavy janga izay manao teny manodoka. Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako ka nahita ny iray tamin’ireny kely saina ireny aho; eny, nandinika ireo tanora aho ka nahita zazalahy iray tsy ampy saina izay nandeha tamin’ny lalana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga sady nizotra moramora nankany an-tranony, tamin’ny takariva ilay somambisamby iny ary tamin’ny alimbe. Dia indro, nisy vehivavy nitsena azy sady manao fitafin’ny vehivavy janga ary feno fanangolena ao am-pony. Sady vavàna izy no maniratsira, tsy mahajanona an-trano ny tongony; vetivety izy eny an-dalambe, vetivety eny an-tsena, ary mamitsaka eny an-joron-dalana rehetra eny izy. Dia nisavika ilay tanora izy ka nanoroka azy sady nisolantsolana taminy ary nilaza hoe: Nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho ary androany no nanefako ny voadiko. Koa nivoaka hitsena anao aho mba hitady fatratra anao ka nahita anao tokoa. Ny fandrianako dia efa nasiako firakotra tsara, lamba rongony misoratsoratra avy any Ejipta; efa norarahako zavamanitra ny fandrianako, dia miora sy hazomanitra ary havozomanitra. Andeha, aoka isika hivoky fitia mandra-paharain’ny andro, aoka hanaram-po amin’ny fitiavana isika. Tsy ato an-trano mantsy ny vadiko fa lasa nivahiny any lavitra; ny kitapom-bola dia noentiny any an-tanany ary tsy hody izy raha tsy feno ny volana. Tamin’ny teny maro no nandreseny lahatra azy; tamin’ny fandokafan’ny molony no nitaomany azy. Dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala gadraina ho famaizana azy, ambara-piboroaky ny zana-tsipìka amin’ny atiny, ary tahaka ny vorona mamantana amin’ny fandrika ka tsy fantany fa hamono ny ainy izany. Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, ary tandremo ny teny ataoko! Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo ary aza mania ho amin’ny alehany. Fa betsaka no naripany ka maty, ary ny mahery indrindra aza dia matiny avokoa. Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fitoeran’ny maty, eny, midina ho any amin’ny efitranon’ny fahafatesana. Tsy miantso va ny Fahendrena? Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana? Eo an-tampon’ny toerana avo amoron-dalana sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany. Eo anilan’ny vavahady amin’ny fidirana ho ao an-tanàna sy eny amin’ny vavahady no iantsoany mafy hoe: Ianareo no antsoiko, ry olona, ary ny feoko dia ho amin’ny zanak’olombelona! Manàna fahamalinana, ry kely saina! Aoka hahira-tsaina ianareo, ry adala! Henoy, fa hilaza zava-dehibe aho ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ny molotro. Fa ny marina ihany no holazain’ny vavako, ary amin’ny molotro dia fahavetavetana ny ratsy; marina ny teny rehetra ataoko, tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy. Miharihary avokoa ireny amin’ny mazava saina, ary mahitsy amin’ny efa nahazo fahalalana. Ny anatro no raiso fa tsy ny volafotsy; aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina. Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; tsy azo ampitahaina aminy ny zavatra mampitsiriritra rehetra. Izaho Fahendrena dia miara-monina amin’ny fahamalinana ary hitako ny fahaizana misaina mazava. Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana NY TOMPO; ny fiavonavonana, ny fireharehana, ny lalana ratsy ary ny teny lainga dia samy halako avokoa. Ahy ny tolo-tsaina sy ny tena fahendrena. Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery. Amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka sy amoahan’ny mpanapaka ny didy aman-dalàna araka ny rariny; amin’ny alalako no anapahan’ny mpitondra sy ny lehibe ary ny mpitsara rehetra amin’ny tany. Tiako izay tia ahy ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. Ny vokatra avy amiko dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny volamena tsy miharo aza, ary mihoatra noho ny volafotsy voafantina ny fitomboan’ny harenako. Eo amin’izay alehan’ny fahamarinana no izorako, ary mihazo eo afovoan’ny lalan’ny fitsarana marina mba hampandovako harena izay tia ahy sy hamenoako ny trano fitahirizany. Namboatra ahy ho fiandohan’ny lalany NY TOMPO, ho voalohany amin’ny asany hatramin’ny taloha. Notendreny hatramin’ny fahagola aho, eny, hatramin’ny voalohany indrindra, fony tsy mbola ary ny tany. Fony tsy mbola nisy ny lalina no efa teraka aho, fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, fony tsy mbola nisy ny havoana no efa teraka aho, fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, na ny vovo-tany voalohany amin’izao rehetra izao. Tamin’ny nampiorenany ny lanitra dia teo aho, tamin’ny namaritany ny habakabaka tambonin’ny lalina, tamin’ny nampitoerany ny rahona eny ambony ka niboiboika fatratra ny loharanon’ny lalina, tamin’ny nanisiany faritra ho an’ny ranomasina mba tsy hahazoan’ny rano mihoatra ny fetrany, rehefa nandidy ny amin’ny fanorenan’ny tany Izy, dia mpita-marika teo anilany aho sady ravoravo isanandro isanandro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona. Koa mihainoa ahy ianareo anaka; fa sambatra izay manaraka ny diako! Mihainoa anatra ka hendre, fa aza manao tsirambina. Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo amin’ny varavarako ary miambina eo amin’ny tolanam-baravarako! Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana, sady mahazo sitraka amin’NY TOMPO. Izay diso ahy kosa dia mampidi-doza amin’ny tenany; izay rehetra mankahala ahy dia tia fahafatesana. Efa nanorina ny tranony ny Fahendrena, efa nipaika ny andriny fito izy. Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy ary efa namelatra ny latabany koa. Efa naniraka ny mpanompovaviny izy; miantso eny an-tampon’ny toerana avo eny an-tanàna izy ka miteny hoe: Iza no kely saina? Aoka izy hivily hankaty! Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy: Avia, hano ny mofoko ary sotroy ny divay voaharoko. Ilaozy ny hadalana dia ho velona ianao ary mizora amin’ny lalan’ny fahalalana! Izay mananatra ny mpaniratsira dia mahazo fahafaham-baraka ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao ho halany; ny hendry no anaro dia ho tiany ianao. Manomeza ho an’ny hendry dia mbola hihahendry ihany izy; ampianaro ny marina dia hitombo saina izy. Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahendrena ary ny fahalalana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. Fa amin’ny alalako no hampitomboana ny andronao sy hanamaroana ny taona hiainanao. Raha hendry ianao dia hendry ho an’ny tenanao ihany; raha maniratsira ianao dia ianao ihany no hizaka ny valin’izany. Ny vehivavy adala dia vavàna; kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. Mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy ary amin’ny seza eny amin’ny toerana avo eo an-tanàna mba hiantso ny mpandalo izay mizotra amin’ny alehany ka miteny hoe: Iza no kely saina? Aoka izy hivily hankaty! Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy: Mamy ny rano nangalarina, ary fy ny mofo hanina miafina! Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, ary any amin’ny lalina any amin’ny fitoeran’ny maty ny olona nasainy. Anatra samihafa nataon’i Solomona. Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. Ny harena azo tamin’ny tsy marina dia tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ny fahafatesana. Tsy avelan’NY TOMPO ho mosarena ny marina, fa foanany ny fitsiriritan’ny ratsy fanahy. Ho tonga mahantra ny miraviravy tanana amin’ny asany, fa mampanankarena ny tanan’ny mazoto. Izay manangona amin’ny fararano no olona hendry; fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no olona mampahamenatra. Fitahiana no ho eo amin’ny lohan’ny marina, fa loza no afenin’ny tenin’ny ratsy fanahy. Ny fahatsiarovana ny marina dia fitahiana, fa ho lo ny anaran’ny ratsy fanahy. Izay hendry am-po no mandray ny didy, fa ho lavo ny adala tsy mahay mangina. Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany. Izay mipy maso dia manome alahelo ary ny molotry ny adala dia mandavo ny tenany. Loharanon’aina ny tenin’ny marina, fa loza no afenin’ny tenin’ny ratsy fanahy. Ny fankahalana dia manetsika adilahy, fa ny fitiavana no manarona ny ota rehetra. Amin’ny molotry ny manan-tsaina no ahitana fahendrena, fa hazo fikapohana kosa no ho amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina. Ny hendry mirakitra fahalalana, fa ny tenin’ny adala dia fandringanana mitatao. Ny harenan’ny manankarena dia vohitra mafy ho azy, fa ny tsy fananan’ny ory no fandringanana azy. Ho fiainana ny asan’ny marina, fa ho ota ny fitomboan’ny harenan’ny ratsy fanahy. Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana, fa mivily lalana izay manadino anatra. Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga ary izay mampiely endrikendrika dia adala. Ny teny maro dia tsy ilaozan’izay ota, fa izay mahatana ny molony no hendry. Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina, fa ny fon’ny ratsy fanahy dia tsy misy vidiny. Ny molotry ny marina dia mamelona ny maro, fa maty ny adala noho ny tsy fananany fahalalana. Ny fitahian’NY TOMPO no mampanankarena ary tsy ampiany fisasarana izany. Toa kilalaon’ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny an’ny manan-tsaina kosa dia ny fahendrena. Izay atahoran’ny ratsy fanahy dia hihatra aminy, fa izay irin’ny marina kosa no homena azy. Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy, fa ny marina dia ho tafaorina mandrakizay. Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy ny setroka amin’ny maso, dia toy izany ny malaina amin’izay maniraka azy. Ny fahatahorana NY TOMPO no mahela velona, fa ny taonan’ny ratsy fanahy dia hohafohezina. Ny fanantenan’ny marina dia fifaliana, fa levona kosa ny fanantenan’ny ratsy fanahy. Ny lalan’NY TOMPO dia fiarovana mafy ho an’izay tsy misy tsiny, fa faharinganana kosa ho an’ny mpanao ratsy. Tsy hangozohozo mandrakizay ny marina, fa ny ratsy fanahy dia tsy honina amin’ny tany. Mamokatra fahendrena ny tenin’ny marina, fa hofongorana ny lela fandainga. Ny molotry ny marina dia mahalala izay ankasitrahana, fa ny tenin’ny ratsy fanahy dia feno fitaka. Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vato marina no ankasitrahany. Rehefa tonga ny fiavonavonana dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny manetry tena no misy ny fahendrena. Ny fahitsian’ny mahitsy no mitari-dalana azy, fa ny faharatsian’ny mpivadika no mahatonga faharinganana amin’ny tenany. Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana, fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana. Mandamina ny alehany ny fahamarinan’ny marina, fa ny ratsy fanahy dia lavon’ny faharatsiany ihany. Manafaka ny mahitsy ny fahamarinany, fa ny mpivadika dia voafandriky ny filany. Raha maty ny ratsy fanahy dia levona ny fanantenany, eny, foana izay nantenainy tamin’ny heriny. Ny marina dia vonjena ho afaka amin’ny fahoriana, fa ho avy kosa ny ratsy fanahy handimby toerana azy. Ny tenin’ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany, fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. Raha miadana ny marina dia ravoravo ny tanàna; raha ringana ny ratsy fanahy dia velona ny hoby. Ny fitahiana avy amin’ny marina no mampisandratra ny tanàna, fa ny tenin’ny ratsy fanahy no maharava azy. Tsy ampy saina izay manamavo ny namany, fa izay hendry kosa mangina. Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny zavatra afenina, fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. Raha tsy misy fahaiza-mitondra dia rava ny firenena, fa famonjena ny fahamaroan’ny mpanolotsaina. Hahita loza tokoa ny miantoka vahiny, fa mitoetra tsy manana ahiahy ny mankahala antoka. Mahazo dera ny vehivavy tsara tarehy ary mandroba harena ny mpampihorohoro. Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany, fa ny lozabe dia todìn’ny halozany. Ny ratsy fanahy dia mahazo tambiny mamitaka, fa izay mamafy fahamarinana no mahazo karama marina. Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana, fa izay fatra-panaraka ny ratsy no iharan’ny fahafatesana. Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny fo miolakolaka, fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny. Azo antoka fa tsy maintsy handray ny saziny ny ratsy fanahy, fa ny taranaky ny marina no ho afa-doza. Toy ny kavina volamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy manam-pahendrena. Ny soa ihany no irin’ny marina, fa ny fahatezerana no fanantenan’ny ratsy fanahy. Misy malala-tanana nefa mitombo fananana ihany ary misy izay fatra-pitahiry loatra nefa tonga mahantra ihany. Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa. Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ny olona, fa saotra no ho amin’ny lohan’izay mivarotra. Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra, fa izay mitady ny ratsy dia hahita ny ratsy. Izay matoky ny hareny dia ho lavo, fa ny marina dia ho tahaka ny ravin-kazo maitso. Izay manakorontana ny ankohonany dia handova rivotra ary ny adala dia ho tonga mpanompon’ny hendry. Ny vokatry ny marina dia hazon’aina ary ny hendry mahataona olona. Indro, ny marina aza dia valina etỳ an-tany, koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota! Izay tia fananarana no tia fahalalana, fa izay mankahala anatra dia biby. Mahazo sitraka amin’NY TOMPO ny tsara fanahy, fa ny mpamoron-tsain-dratsy dia hohelohiny. Tsy mahatafatoetra ny olona ny haratsiam-panahy, fa tsy mba hihetsika ny fototry ny marina. Ny vehivavy vanona dia satroboninahitry ny lahy, fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny fahalovana ao anatin’ny taolana. Avy amin’ny fisainan’ny marina ny rariny, fa fitaka no sainin’ny ratsy fanahy. Ny tenin’ny ratsy fanahy dia vela-pandrika handatsahan-dra, fa ny tenin’ny marina hamonjy azy. Adaraboka ny ratsy fanahy ka tsy misy intsony, fa haharitra ny tranon’ny marina. Araka ny fahendren’ny olona no hiderana azy, fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona. Aleo olona tsy ambony toerana loatra, nefa manana mpanompo iray, toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory. Ny marina dia mitsimbina ny ain’ny bibiny, fa fahasiahana kosa no famindrampon’ny ratsy fanahy. Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina, fa izay manenjika zava-poana dia tsy ampy saina. Maniry ny hazan’ny ratsy fanahy ny mpanota, fa ny marina kosa mamokatra. Amin’ny fahotan’ny molotra dia misy fandrika mampidi-doza, fa ho afa-miala amin’ny fahoriana ny marina. Ny vokatry ny tenin’ny olona no mahavoky soa azy ary hitsingerina aminy ny asan’ny tanany. Ny lalan’ny adala dia heveriny ho mahitsy, fa izay mino anatra no hendry. Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay, fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry. Izay olona maneho ny marina dia manambara ny rariny, fa ny vavolombelona mandainga kosa dia miteny fitaka. Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra, fa ny lelan’ny marina kosa dia manasitrana. Ny molotra marina dia tafaorina ho mandrakizay, fa ny lela mandainga dia indray mipy maso monja. Fitaka no ao am-pon’izay mamorona sain-dratsy, fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana. Tsy misy ratsy manjo ny marina, fa heni-doza ny ratsy fanahy. Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny molotra mandainga, fa izay manao ny marina no ankasitrahany. Tsy mba mampideradera fahalalana foana ny olon-kendry, fa ny fon’ny adala mamoaka hadalana. Ny tanan’ny mazoto no hanapaka, fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina. Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy. Ny marina dia mitari-dalana ny namany, fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily lalana azy. Tsy mahatono izay nohazainy ny kamo, fa fananana soa ho an’ny olona kosa ny zoto. Amin’ny lalan’ny fahamarinana no misy fiainana ary mankany amin’ny tsy fahafatesana ny lalan-kalehany. Ny zanaka hendry dia mihaino ny fananaran’ny rainy, fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino na dia anarina mafy aza. Ny vokatry ny tenin’ny olona no ihinanany zava-tsoa, fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika. Izay mitandrina ny fiteniny no miaro ny ainy, fa izay tsy mahay mangina dia ho ringana. Maniry zavatra ny kamo, nefa tsy mba mahazo na inona na inona, fa ny mazoto kosa dia hanana ny feno. Ny lainga dia halan’ny marina, fa manao izay maharikoriko sy mahamenatra ny ratsy fanahy. Miaro izay mandeha tsy misy tsiny ny fahamarinana, fa ny faharatsiam-panahy no mamotraka ny mpanota. Misy mihambo ho manankarena nefa tsy manana na inona na inona; misy kosa mody mahantra nefa manana harena be. Ny harenan’ny olona dia avotry ny ainy, fa tsy mba mampiraika ny mahantra akory ny levilevy. Ny fahazavan’ny marina dia feno fifaliana, fa ny jiron’ny ratsy fanahy ho faty. Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana, fa ao amin’izay mino anatra no misy ny fahendrena. Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava, fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo azy. Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary fo, fa hazon’aina ny faniriana tanteraka. Izay manamavo ny teny dia ho voasingony, fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia. Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina ka mampivily hiala amin’ny fandriky ny fahafatesana. Ny fananan-tsaina mahay mandanjalanja dia ahazoam-pitia, fa ny lalan’ny mpivadika dia tsy mitondra mankaiza. Ny mahira-tsaina rehetra dia miasa amin’ny fahalalana, fa ny adala kosa mampiharihary ny hadalany. Idiran-doza ny iraka ratsy fanahy, fa ny iraka mahatoky dia mitondra fanasitranana. Fahantrana sy henatra no ho an’izay mandà fananarana, fa izay mandray anatra no homem-boninahitra. Mamin’ny fo ny faniriana tanteraka, fa fahavetavetana ho an’ny adala ny hiala amin’ny ratsy. Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry, fa izay misakaiza amin’ny adala dia hihadala. Ny mpanota dia enjehin’ny loza, fa ny marina hovalìna soa. Mamela lova soa ho an’ny zafiny ny tsara fanahy, fa ny harenan’ny mpanota kosa dia voatahiry ho an’ny marina. Ny tanin’ny mahantra izay voaasa dia ahazoana hanina be, fa maro ireo ringana noho ny fanaovany izay tsy rariny. Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia zanaka dia tsy misalasala manitsy azy. Mihinana ny marina ka voky tsara, fa noana ny kibon’ny ratsy fanahy. Ny fahendren’ny vehivavy dia manangana ny tranony, fa ny fahadalana kosa mandrava ny tranony amin’ny tanany. Mandeha amin’ny fahitsiana izay matahotra NY TOMPO, fa izay mivily lalana kosa dia maniratsira Azy. Eo am-bavan’ny adala dia misy tsirin’ny fiavonavonana, fa ny molotry ny hendry kosa miaro azy. Raha tsy misy omby dia foana ny fihinanam-bilona, fa be ny fitomboan-karena azo avy amin’ny herin’ny omby. Tsy mba mandainga ny vavolombelona mahatoky, fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky. Mba mitady fahendrena ny mpaniratsira fa tsy mahita, mora mahazo fahalalana kosa ny manan-tsaina. Manalavira ny olona adala, fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana. Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ny mahira-tsaina, fa fitaka ny hadalan’ny adala. Ihomehezan’ny adala ny heloka nataony, fa ao amin’ny olo-marina no misy ny fahatsaram-panahy. Ny fo ihany no mahalala ny fangidian’ny alahelony ary tsy heverin’ny olon-kafa ny hafaliany. Ravana ny tranon’ny ratsy fanahy, fa ambinina ny tranolain’ny marina. Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana. Na dia mihomehy aza dia ory ihany ny fo ary ny iafaran’ny hafaliana dia alahelo. Izay mpandeha ka nihemotra dia afa-po amin’izay alehany, fa ny tsara fanahy kosa ho afa-po amin’izay azy ihany. Mino ny teny rehetra ny kely saina, fa ny mahira-tsaina dia mandinika ny diany. Matahotra ny hendry ka mivily tsy ho amin’ny ratsy, fa ny adala dia fatra-pirehareha ka matokitoky foana. Izay malaky tezitra dia manao hadalana ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina. Ny kely saina dia handova fahadalana, fa ny mahira-tsaina dia mahazo ny fahalalana ho satroboninahiny. Ny ratsy fanahy dia miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy ary ny meloka miondrika eo am-bavahadin’ny marina. Na dia ny havan’ny mahantra aza dia mankahala azy, fa maro ny tia ny manankarena. Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota, fa sambatra izay mamindra fo amin’ny ory! Tsy mivily lalana va izay misaina hanao ratsy? Fa famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay misaina hanao ny tsara. Misy valiny avokoa ny fisasarana rehetra, fa ny molotra mibedibedy foana dia tsy miteraka afa-tsy ny tsy fahampian-kanina. Satroboninahitry ny hendry ny hareny, fa ny hadalan’ny adala dia hadalana ihany. Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona, fa izay milaza lainga dia tena mpamitaka. Ny fahatahorana NY TOMPO dia fiarovana mahatoky ka hahazo fialofana ny zanany. Ny fahatahorana NY TOMPO no loharanon’aina hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana. Ny habetsahan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka, fa ny fihenan’ny isan’ny mponina kosa no fahalevonan’ny mpitondra. Fahendrena no ao amin’izay mahatsindry fo, fa ny malaky tezitra dia mampiharihary ny hadalany. Ny fahaveloman’ny vatana dia ny fo nofo tony, fa ny fitezeram-poana dia maha lo ny taolana. Izay mampahory ny madinika dia manala baraka ny Mpanao azy, fa ny mamindra fo amin’ny mahantra kosa manome voninahitra Azy. Roahina ny ratsy fanahy noho ny haratsiany; ny marina kosa dia matoky na dia eo anoloan’ny fahafatesany aza. Mandry tsara ao am-pon’ny manan-tsaina ny fahendrena, fa ny ao am-pon’ny adala kosa dia miharihary. Manandratra ny firenena ny fahamarinana, fa ny ota kosa dia henatra ho an’ny olona. Ny fankasitrahan’ny mpanjaka dia amin’ny mpanompo hendry, fa ny fahatezerany kosa dia amin’izay manao ny mahamenatra. Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana. Mahatonga ny fahalalana ho mahafinaritra ny lelan’ny hendry, fa miboiboika hadalana ny tenin’ny adala. Amin’ny toerana rehetra ny mason’NY TOMPO, manara-maso ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Ny teny mampitony dia hazon’aina, fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. Ny adala maniratsira ny anatry ny rainy, fa izay mitandrina ny fananarana no hita fa hendry. Misy harena be ao an-tranon’ny marina, fa ny fitomboan’ny harenan’ny ratsy fanahy dia misy loza. Ny molotry ny hendry dia mampiely fahendrena, fa tsy mba toy izany ny fon’ny adala. Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vavaka ataon’ny marina no sitrany. Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny lalan’ny ratsy fanahy, fa izay mikatsaka ny fahamarinana no tiany. Famaizana mafy no hihatra amin’izay miala amin’ny lalana, eny, izay mankahala anatra dia ho faty. Ny fitoeran’ny maty sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’NY TOMPO, koa mainka ny fon’ny zanak’olombelona! Tsy tian’ny mpaniratsira izay mananatra azy ary tsy mety manatona ny hendry izy. Mahamiramirana ny tarehy ny fo ravoravo, fa ny alahelon’ny fo dia mahareraka ny fanahy. Ny fon’ny manan-tsaina dia mitady fahendrena, fa ny adala dia mankamamy ny fahadalana. Ratsy avokoa ny andron’ny ory, fa ny faharavoravoana am-po dia sakafom-panasana mandrakariva. Aleo kely misy fahatahorana NY TOMPO toy izay harena be nefa misy tebiteby. Aleo sakafo anana arahim-pitiavana toy izay omby mifahy arahim-pankahalana. Izay malaky tezitra dia manetsika ady, fa izay mahatsindry fo no mampitsahatra fifandirana. Ny lalan’ny malaina dia toy ny fefy tsilo, fa ny lalan’ny marina dia lalambe voalamina tsara. Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny lehilahy adala manao tsinontsinona ny reniny. Ny fahadalana dia fifalian’ny tsy ampy saina, fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy. Ho foana ny tetikasa raha tsy misy fiheveran-draharaha, fa raha maro ny mpanolotsaina dia tanteraka izany. Faly ny olona raha mahay mamaly resaka tsara izy, ary endre ny hatsaran’ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy! Lalan’aina ho any ambony no alehan’ny hendry hanalavirany ny fitoeran’ny maty any ambany, Arodan’NY TOMPO ny tranon’ny mpiavonavona, fa ataony mafy orina ny fanamarihana ny zaratanin’ny mpitondratena. Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny eritreritra hanao ratsy, fa ny teny mamy dia madio. Izay fatra-pila harena tsy marina dia mampidi-doza amin’ny ankohonany, fa izay mankahala kolikoly no ho velona. Ny fon’ny marina misaintsaina vao mamaly, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika loza. Lavitra ny ratsy fanahy NY TOMPO, fa ny vavaka ataon’ny marina no henoiny. Ny fijery mamiratra dia mahafaly ny fo ary mamelombelona ny taolana ny filazana soa. Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona dia miara-mitoetra amin’ny hendry. Izay mandà anatra dia manao tsinontsinona ny tenany, fa izay mihaino fananarana no mahazo fahalalana. Ny fahatahorana NY TOMPO dia fitaizana mampahahendry ary ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra. Ny fikasan’ny fo no an’ny olona, fa ny famalian’ny lela dia avy amin’NY TOMPO. Ataon’ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO no mandanja ny fanahy. Ankino amin’NY TOMPO ny asanao dia ho tanteraka izay nokasainao. Ny zavatra rehetra nataon’NY TOMPO dia samy misy antony avokoa; eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ny andro hahitan-doza. Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra miavonavona am-po; azo antoka fa tsy ho afa-tsiny izy ireo. Ny famindrampo sy ny fahamarinana no avotra amin’ny heloka, ary ny fahatahorana NY TOMPO no analavirana ny ratsy. Raha sitraky NY TOMPO ny alehan’ny olona iray, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy. Aleo ny kely omban’ny fahamarinana toy izay ny tombony be azo amin’ny tsy rariny. Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany. Ny teny marina dia eo amin’ny molotry ny mpanjaka ary tsy diso teny izy raha mitsara. An’NY TOMPO ny fandanjana sy ny mizana marina, andraikiny avokoa ny vatomizana rehetra. Fahavetavetana eo imason’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy, fa fahamarinana no iorenan’ny sezafiandrianana. Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina ary izay miteny mahitsy no tiany. Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana, fa ny olon-kendry no mampionona izany. Amin’ny fahamiramiranan’ny tarehin’ny mpanjaka dia misy fiainana, ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ny fararano. Tsara ny mahazo fahendrena noho ny mahazo volamena ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny mahazo volafotsy. Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ny marina ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. Ny fiavonavonana dia mialoha ny fahapotehana ary ny fanahy mirehareha dia mialoha ny fahalavoana. Tsara ny mietry miaraka amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona. Izay mandinika ny teny no hahita soa ary izay matoky NY TOMPO no ho sambatra! Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina ary ny teny mamy no mampandroso ny fahalalana. Loharanon’aina ny fahazavan-tsaina amin’izay manana izany, fa ny fananarana ataon’ny adala dia fahadalana ihany. Ny fon’ny hendry dia mahafehy ny fiteniny sady manampy fahendrena eo amin’ny molony. Toho-tantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no fanasitranana ho an’ny taolana. Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana. Ny fahanoanan’ny mpiasa no mampiasa azy; manery azy ny fahazotoany hihinana. Mihady lavaka hampidi-doza ny ratsy fanahy sady misy toy ny afo mandoro eo amin’ny molony. Mamafy fifandirana ny mpivadika ary mampisaraka ny tena mpisakaiza ny mpifosa. Ny olon-doza dia mitaona ny namany ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara. Izay manakimpy ny masony hieritreritra zava-dratsy sady manaikitraiki-molotra dia efa manatanteraka ny ratsy. Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy; eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy. Tsara ny olona mahatsindry fo noho ny mpiady mahery ary izay mahafehy ny fahatezerany noho izay mahafa-bohitra. Ny antsapaka dia atsipy ao ampofoany, fa ny fitsarana rehetra dia avy amin’NY TOMPO. Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana noho ny trano feno hena misy fifandirana. Ny mpanompo hendry dia mifehy ny zanaka manao izay mahamenatra; hiray lova amin’ny mpirahalahy izy. Ny memy dia ho famantarana ny tena volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ho famantarana ny tena volamena, fa NY TOMPO kosa no Mpamantatra ny fo. Ny mpanao ratsy dia manongilan-tsofina amin’ny molotra mandainga ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza. Manala baraka ny Mpanao azy izay mihomehy ny mahantra ary izay faly amin’ny loza mitranga dia tsy ho afa-tsiny. Satroboninahitry ny antitra ny zafiny ary voninahitry ny zanaka ny rainy. Tsy mendrika ny adala ny manao teny jadona ary vao mainka tsy tokony ho an’ny olo-manankaja ny molotra mandainga. Ny kolikoly dia heverin’izay manao azy ho toy ny vatosoa ka na aiza na aiza no alehany dia ambinina ihany izy. Izay mikatsaka ny fihavanana dia manarona heloka, fa izay mamohafoha heloka mampisaraka ny tena mpisakaiza. Ny anatra iray dia mandaitra kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala. Ny maditra dia fatra-pitady ny fikomiana ka iraka lozabe no irahina hamely azy. Aleo mifanena amin’ny bera very anaka, toy izay amin’ny adala ao anatin’ny hadalany. Izay mamaly ratsy ny soa dia tsy hialan’ny ratsy ao an-tranony. Ny manomboka ady dia toy ny manata-drano; koa ilaozy ny fifandirana dieny tsy mbola mifandramatra. Izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina dia samy fahavetavetana eo imason’NY TOMPO. Hatao inona re ity vola an-tanan’ny adala? Hamidy fahendrena va? Tsy manan-tsaina akory izy! Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra ary ny rahalahy dia nateraka hamonjy amin’ny fahoriana. Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana hiantoka ny sakaizany. Izay tia ady dia tia heloka ary izay manao vavahady avo, mitady faharavana. Izay fo maditra dia tsy hahita soa ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ny loza. Izay miteraka adala dia hahazo alahelo ary ny rain’ny adala tsy mba manam-pifaliana. Ny fo ravoravo dia mahasalama tsara, fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. Ny ratsy fanahy dia mandray kolikoly avy any anaty lamba hoentiny mamadika ny rariny. Eo anoloan’ny manan-tsaina ny fahendrena, fa ny mason’ny adala dia mibirioka any amin’ny faran’ny tany. Ny zanaka adala dia mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy. Tsy mety ny mampandoa sazy ny marina, na mamely ny manankaja tsy amin’ny rariny. Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana, ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina. Na ny adala aza raha tsy miteny dia toa hendry, ary izay mahafihina ny molony dia manan-tsaina. Izay mitokantokana dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany; misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy. Ny adala dia tsy mba finaritra amin’ny fahalalana fa ta haneho izay ao am-pony. Raha avy ny ratsy fanahy dia avy ny fanamavoana, ary miaraka amin’ny fahafaham-baraka ny henatra. Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona ary rano miboiboika ny loharanon’ny fahendrena. Tsy mety ny manohana ny ratsy fanahy mba handresena ny marina amin’ny fitsarana. Ny molotry ny adala dia miteraka ny fifandirana ary ny teny ataony dia mihantsy fifamelezana. Ny tenin’ny adala no fandringanana azy ary ny molony ihany no fandriky ny tenany. Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka hatrany anaty rehetra any. Izay malaina amin’ny asany dia rahalahin’ny mpanimba zavatra. Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy. Ny harenan’ny mpanankarena no tanànany mafy ary araka ny fiheviny dia toa manda avo erỳ izany. Ny fireharehan’ny fon’ny olona dia mialoha ny faharavana, fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. Izay mamaly teny mbola tsy re dia hadalana sy henatra ho an’ny tenany izany. Ny fanahin’ny olona dia mampahery azy ao anatin’ny aretiny, fa raha ny fanahy no kivy, iza indray no hanohana azy? Ny fon’ny manan-tsaina mikatsaka fahalalana ary ny sofin’ny hendry mitady izany. Ny fanomezana ataon’ny olona dia manalalaka ny alehany hahatonga azy eo anatrehan’ny lehibe. Izay mandahatra aloha no toa marina, fa nony avy kosa ny an-daniny dia mitaky porofo aminy. Ny fanaovana antsapaka dia mampitsahatra ady ary mampisaraka ny samy mahery. Ny manatona rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny mahazo vohitra mafy ary ny fifandirana dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka. Ny vokatry ny tenin’ny olona no mahavoky ny kibony, eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy. Ny mahafaty sy ny mahavelona dia samy hain’ny lela, koa izay tia azy dia hihinana ny vokany. Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo hasambarana sady mahita sitraka amin’NY TOMPO. Fitarainana no ataon’ny mahantra, fa ny mpanankarena dia mamaly amin’ny teny mahery. Misy sakaiza izay mitondra amin’ny fahoriana, fa misy kosa sakaiza tia, izay mifikitra mafy noho ny rahalahy aza. Tsara ny mahantra mandeha tsy misy tsiny noho izay mandainga amin’ny molony sady adala. Tsy tsara ny tsy mamantatra ny tena, fa izay mirotoroto manao zavatra dia ho diso lalana. Ny hadalan’ny olona no manimba ny alehany ka amin’NY TOMPO no sosotra ny fony. Mahamaro sakaiza ny harena, fa ny mahantra dia afoin’ny sakaizany. Ny vavolombelona mandainga dia tsy ho afa-tsiny ary tsy ho afa-maina izay mamoaka lainga. Maro no mandambolambo mpanapaka ary ny olona rehetra dia samy misakaiza amin’izay mpanome zavatra. Ny mahantra dia halan’ny rahalahiny rehetra, koa mainka va ny sakaizany tsy hanalavitra azy? Rehefa manjohy azy amin’ny teny izy dia tsy eo intsony ireo. Izay mihary fahendrena dia tia ny tenany ary izay mitandrina fahalalana no hahita soa. Tsy ho afa-tsiny ny vavolombelona mandainga ary ho levona ny miteny lainga. Tsy mendrika ho an’ny adala ny ho velona amin’ny fahafinaretana, koa mainka fa ny mpanompo no hifehy ny zanak’andriana. Ny fahendren’ny olona dia manindry ny fahatezerany ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia toy ny fieron’ny liona tanora, fa toy ny ando amin’ny ahitra kosa ny fankasitrahany. Mahabe fahoriana ny rainy ny zanaka adala ary ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete tsy mitsahatra. Trano sy harena no lova avy amin’ny ray, fa ny vady hendry kosa dia avy amin’NY TOMPO. Ny hakamoana dia mahasondrian-tory ary ho mosarena ny olona malaina. Izay mitandrina ny didy dia mitandrina ny ainy, fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty. Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy. Anaro ny zanakao fa mbola misy azo antenaina ihany, nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy. Izay entim-pahatezerana dia tsy maintsy mandoa ny simba amin’izany; fa raha afahanao izy dia mbola hanampy fahasahiranana ho azy indray ianao. Henoy ny saina atolotra anao, ary raiso ny fananarana mba ho hendry ianao amin’ny manaraka. Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa ny fikasan’NY TOMPO no mitoetra. Izay irina amin’ny olona dia ny hatsaram-panahiny ary aleo ho mahantra toy izay ho mpandainga. Ny fahatahorana NY TOMPO no ahazoana fiainana; izay manana izany dia tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza. Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ny tanany, nefa ny hampakatra azy ho ao am-bavany tsy ataony. Kapohy ny mpaniratsira dia ho hendry ny kely saina ary anaro ny manan-tsaina dia hahalala fahendrena izy. Izay mandroba an-keriny ny rainy sy mandroaka ny reniny dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka. Anaka, mitsahara ange tsy hihaino fampianarana, dia hirenireny lavitra ny fahalalana ianao. Maniratsira ny fitsarana ny vavolombelona ratsy, ary ny vavan’ny ratsy fanahy dia mitelina ny ratsy. Vonona ho an’ny mpaniratsira ny fanamelohana, ary ny kapoka dia ho an’ny lamosin’ny adala. Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka; koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry. Ny fandrahonana ataon’ny mpanjaka dia toy ny fieron’ny liona tanora; izay mampahatezitra azy dia miantso loza hihatra amin’ny tenany. Voninahitry ny olona ny manalavitra ny fifandirana, fa ny adala rehetra kosa misafoaka. Ny kamo dia tsy mety miasa tany amin’ny ririnina, saingy amin’ny fararano dia hangataka izy nefa tsy hahazo. Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; izay manan-tsaina dia mahay manovo ao. Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy, fa ny olona mahatoky, iza moa no mahita azy? Ny olona marina dia mandeha amin’ny fahitsiany; sambatra ny zanany mandimby azy. Mipetraka eo amin’ny seza fitsarana ny mpanjaka ka ny masony dia mikororòka manavaka ny ratsy rehetra. Iza no mahazo milaza hoe: Efa nahadio ny foko aho ka madio afaka tamin’ny otako? Ny vato mizana tsy mitovy sy ny famarana tsy sahala dia samy fahavetavetana eo imason’NY TOMPO. Na dia ny tanora aza dia mampiseho amin’ny fanaony fa madio sy mahitsy ny asany. Ny sofina mandre sy ny maso mahita dia samy nataon’NY TOMPO avokoa. Aza tia torimaso ianao, fandrao ho tonga mahantra; ahirato ny masonao dia ho voky hanina ianao. Ratsy! Ratsy! Hoy ny mpividy; kanjo nony lasa izy dia miarahaba tena. Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka, fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa. Alao ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy ary ho solon’ny laniny tamin’ny fiantohana vahiny janga. Mamin’ny olona ny hanina azo tamin’ny fitaka, kanjo avy eo dia fasika no mameno ny vavany. Ny hevitra rehetra dia arafeto amin’ny fiaraha-misaina ary ny fahaiza-mandamina tsara no entonao miady. Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny tsiambaratelo, koa aza mifampiraharaha amin’izay mibedibedy foana. Izay manozona ny rainy na ny reniny dia ho faty ao amin’ny haizim-pito ny jirony. Ny lova norombahina teo am-boalohany dia tsy hotahìna amin’ny ho avy. Aza miteny hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho, fa miandrasa NY TOMPO, fa Izy no hamonjy anao. Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny vatomizana tsy mitovy ary ny mizana mandainga dia tsy tsara. NY TOMPO no mitantana ny dian’ny olona; fa ny olombelona, hataony ahoana ny hahafantatra ny lalany? Fandrika amin’ny olona ny malaky miteny hoe: Zavatra masina ity, ka nony vita ny voady vao mieritreritra. Ny mpanjaka hendry dia mikororòka manaisotra ny ratsy fanahy sady mandefa ny kodiarana eo amboniny. Jiron’NY TOMPO ny fanahin’ny olona hitsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po. Famindrampo sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka ary ampitoeriny amin’ny famindrampo ny sezafiandrianany. Voninahitry ny zatovo ny tanjany ary ravaky ny zokiolona ny volo fotsy. Ny ratra avy amin’ny kapoka dia mahafaka ny haratsiam-panahy ary ny kapoka dia tonga hatrany amin’ny aty fo. Toy ny rano velona eo an-tanan’NY TOMPO ny fon’ny mpanjaka ka tarihiny ho amin’izay tiany. Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO ihany no mpandanja ny fo. Ny hanao izay marina sy mahitsy no sitraky NY TOMPO mihoatra noho ny fanatitra alatsa-dra. Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo, izay jiron’ny ratsy fanahy, dia ota. Ny hevitry ny mazoto dia mampanankarena, fa ny maimaika rehetra dia hahantra ihany. Ny fahazoana harena amin’ny lela mandainga dia fofonaina mihelina ho an’izay mitady fahafatesana. Ny herisetran’ny ratsy fanahy dia hamongotra azy satria mandà tsy hanao izay marina izy. Miolikolika ny lalan’ny mavesa-keloka, fa mahitsy ny asan’ny madio. Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano toy izay hiray trano amin’ny vehivavy tia ady. Ny ratsy fanahy dia maniry ny ratsy ka na ny havany aza dia tsy mahita fitia eo imasony. Raha sazina ny mpaniratsira dia ho hendry ny kely saina ary raha toroan-kevitra ny hendry dia hahazo fahalalana izy. Ny marina dia mandinika ny tranon’ny ratsy fanahy ka mamarina azy ho amin’ny loza. Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra dia mba hitaraina koa, nefa tsy hohenoina. Ny fanomezana mangingina dia mampionona ny fahatezerana ary ny kolikoly amin’ny takona dia mampitsahatra ny fahavinirana mafy. Fifalian’ny marina ny hanao araka ny rariny, fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany. Ny olona izay mivily miala amin’ny lalan’ny fahendrena dia hitoetra ao amin’ny fivorian’ny fanahin’ny maty. Izay tia fanaranam-po dia ho olona sahirana; eny, tsy mba hanankarena izay tia divay sy diloilo. Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina ary ny mpivadika no ho solon’ny mahitsy. Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miaraka amin’ny vehivavy tia ady sady mora tezitra. Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ny tranon’ny hendry, fa ny adala mandany ny azy. Izay mikatsaka ny fahamarinana sy ny famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. Mananika ny vohitry ny mahery ny hendry ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany. Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny tenany tsy ho azom-pahoriana. Izay mirehareha sy miavonavona no antsoina hoe mpaniratsira, dia izay olona fatra-piavonavona. Ny fanirian’ny kamo dia hahafaty azy satria tsy mety miasa tsinona ny tanany; maniry fatratra izy mandritra ny andro; ny marina kosa manome fa tsy mba mahihitra. Fahavetavetana ny fanatitry ny ratsy fanahy, indrindra raha amin’ny sain-dratsy no anolorany azy! Ho levona ny vavolombelona mandainga, fa izay mahay mihaino dia ho afaka hiteny mandrakariva. Mampiseho ny fahasahisahiany amin’ny tarehiny ny ratsy fanahy, fa ny marina kosa dia mihevitra tsara ny lalan-kalehany. Tsy misy fahendrena na fahalalana na fisainana mahazaka ny fanatrehana NY TOMPO! Voaomana ho amin’ny andro iadiana ny soavaly, fa an’NY TOMPO ihany ny famonjena. Aleo tsara laza toy izay be harena; tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena. Mihaona ny mpanankarena sy ny mahantra, fa NY TOMPO no mpanao azy roa tonta. Ny mahira-tsaina dia mahatsinjo ny loza ka miery, fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana NY TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana. Tsilo sy fandrika no amin’ny lalan’ny maditra, fa izay te hiaro ny ainy dia manalavitra izany. Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany. Ny mpanankarena dia mifehy ny mahantra ary izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra. Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana ary ho levona ny tsorakazon’ny fahatezerany. Hotahìna izay manana maso miantra satria anomezany ho an’ny mahantra ny haniny. Roahy ny mpaniratsira dia ho afaka ny fifandirana; eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka. Izay tia fahadiovam-po dia milaza soa ny molony sady sakaizan’ny mpanjaka izy. Ny mason’NY TOMPO dia miaro ny fahalalana, fa ny tenin’ny mpivadika asafotofotony. Hoy ny kamo: Misy liona any ivelany any; ho faty ao an-dalambe ao aho! Ny tenin’ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; izay tezeran’NY TOMPO no ho latsaka ao. Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana, fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy. Izay mampahory ny mahantra dia mampitombo harena azy, fa izay manome ho an’ny manana kosa dia mampihena ny hareny. Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao. Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao anatinao izany, koa aoka samy ho vonona eo amin’ny molotrao izy rehetra. Ianao dia ianao no nampahafantariko izany mba hitokianao amin’NY TOMPO. Tsy efa nanoratra toko telopolo ho anao va aho, ka misy hevitra tsara sy fahalalana ao mba hampahafantarako anao ny fahamarinan’ny teny mahatoky sy hahazoanao ny teny holazaina amin’izay naniraka anao? Aza mandroba ny mahantra noho ny fahantrany ary aza dia manitsakitsaka ny ory eo amin’ny fitsarana. Fa NY TOMPO anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny ary hamongotra ny ain’izay mamongotra azy. Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra ary aza miara-dia amin’ny olona saro-po, fandrao hianatra ny fanaony ianao ka hahazo fandrika ho an’ny ainao. Aza mety ho isan’ny mifandray tanana, na izay mianto-trosa; raha tsy manan-kaloa ianao, nahoana no dia halainy ny lafika fandrianao? Aza manakisaka ny fanamarihana ny zaratany efa teo hatry ny ela ary efa natsangan’ny razanao. Mahita olona kinga amin’ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hijoroany, fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olona ambany toerana izy. Raha mipetraka hiara-komana amin’ny mpanapaka ianao dia hevero tsara izay eo anoloanao ka ambeno amin’ny antsy ny tendanao raha dia mazoto homana loatra ianao. Aza mitsiriritra ny hanim-piny fa hani-mamitaka izany. Aza manasa-tena hanankarena; aza entina amin’izany ny fahendrenao. Ampanarahanao ny harena va ny masonao nefa tsy eo intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra! Aza homana ny mofon’izay ratsy fijery ary aza mitsiriritra ny hanim-piny; fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny toetrany. Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; kanjo tsy sitrany akory ianao. Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao. Aza miteny ao an-tsofin’ny adala, fa hohamavoiny foana ny fahendren’ny teninao. Aza manakisaka ny fanamarihana zaratany efa teo hatry ny ela, ary aza miditra ao amin’ny sahan’ny kamboty, fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ny adiny aminao. Atodiho hanaiky ny fananarana ny fonao ary amin’ny tenim-pahalalana ny sofinao. Aza matahotra mananatra ny zanaka, fa tsy ho faty izy tsy akory na dia kapohinao amin’ny hazo aza. Raha mamely azy amin’ny hazo ianao dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy. Anaka, raha hendry ny fonao dia ho faly koa ny foko; eny, ho ravoravo ato anatiko tokoa aho raha milaza izay mahitsy ny molotrao. Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao, fa matahora NY TOMPO mandritra ny andro; fa mbola misy ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao. Mihainoa ianao, anaka, ka hendre ary ampizory amin’ny lala-mahitsy ny fonao. Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa hahantra izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena, ary ny fitiavan-torimaso dia mampitafy vorodamba. Maneke ny rainao izay niteraka anao ary aza manamavo ny reninao na dia efa antitra aza izy. Vidio ny marina fa aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. Feno fifaliana ny rain’ny olo-marina ary izay miteraka zaza hendry dia manam-pifaliana aminy! Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao; eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao! Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao hifaly amin’ny lalako. Fa ny vehivavy janga dia hady lalina ary ny vehivavy jejo dia lava-drano ety; eny, manao vela-pandrika toy ny jiolahy ireny ary mahamaro ny olona mpivadika. An’iza ny Indrisy? An’iza ny Loza? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy amin’antony? An’iza ny maso mivoaramena? An’izay mandany andro eo amin’ny divay, eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. Aza mijery ny divay noho ny hamenany, sy ny fanganohanony ao anaty vera, ary ny fikoriany mahafinaritra; fa any aoriana any dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo ary ny fonao hirediredy foana. Eny, ho sahala amin’izay mandry ao anaty ranomasina ianao sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo. Voakapoka aho, hoy ianao, nefa tsy reko naharary ahy! Voadaroka aho, nefa tsy tsaroako izany! Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako divay indray? Aza mialona ny olona ratsy fanahy, na maniry ho namany, fa fandravana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no tenenin’ny molony. Fahendrena no anaovana trano, ary halalinan-tsaina no mampaharitra azy. Fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra. Feno hery ny lehilahy hendry; eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana. Fa ny fahaizana mandinika tsara no entonao miady; ary raha maro ny mpanolotsaina dia misy famonjena. Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena; tsy mahaloa-bava eo amin’ny vavahady izy. Izay misaintsaina hanao ratsy dia antsoina hoe mpamoron-tsain-dratsy. Ota ny fikasan’ny hadalana ary fahavetavetana eo imason’ny olona ny mpaniratsira. Raha azom-paharerahana ianao amin’ny andro fahoriana dia kely izany ny herinao. Afaho izay entina hovonoina, ary vonjeo izay mangozohozo efa eo am-pamonoana! Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay! Moa Izay mandanja ny fo va tsy hihevitra izany? Ary Izay mandinika ny fanahinao va tsy hahalala izany? Eny, hovaliany araka ny asany avy ny olona rehetra. Anaka, homàna tantely fa tsara izany! Homàna koa toho-tantely fa ho mamy amin’ny lanilaninao izany. Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho anao; fa raha azonao izany dia tsara antoka ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao. Aza manao vela-pandrika eo akaikin’ny tranon’ny marina ianao, ry ilay ratsy; aza ravanao ny fonenany; fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa dia solafaka raha azom-pahoriana. Aza faly raha lavo ny fahavalonao, ary aza ravoravo ny fonao raha tafintohina izy; fandrao hitan’NY TOMPO izany ka ho ratsy eo anatrehany, ary esoriny aminy ny fahatezerany. Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao, ary aza mialona ny ratsy fanahy; Fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy; eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy. Anaka, matahora NY TOMPO sy ny mpanjaka ary aza mikambana amin’izay mpanovaova zavatra. Fa ho tampoka no hitrangan’izay hanjo ireny; ary iza no mahalala izay loza hanjo azy roa tonta? Izao koa no tenin’ny hendry: Tsy mety ny mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana. Izay milaza amin’ny meloka hoe: Marina ianao, dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena; fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. Izay manome valinteny tsara dia manoroka ny molotra. Amboary ny asanao any ivelany ary ataovy lavorary ny any an-tsaha, koa rehefa vita izany dia mahazo manangana ny tranonao ianao. Aza manao fiampangana tsy marim-pototra amin’ny namanao; moa hamitaka amin’ny molotrao va ianao? Aza miteny hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, hovaliako araka izay nataony ny olona. Nandalo ny sahan’ny kamo sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho; koa indro, feno songosongo izy sady voasaron’ny tsilo, ary nirodana ny fefy vatony. Dia nojereko ka noheveriko tsara; eny, hitako ka nahazoako anatra. Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tanana kely hatory; dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely ny fahantranao ary ny fahasahirananao ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana. Ireto koa ny ohabolan’i Solomona, izay nangonin’ny olon’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda: Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra, fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra. Ny haavon’ny lanitra sy ny halalin’ny tany ary ny fon’ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa. Esory ny taim-bolafotsy dia hisy fanaka ho an’ny mpandrendrika. Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ny mpanjaka dia ho tafaorina amin’ny fahamarinana ny sezafiandrianany. Aza manandra-tena eo anatrehan’ny mpanjaka ary aza mijoro eo amin’ny toeran’ny lehibe; fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara etỳ! Toy izay atambotsotra eo imason’ny manankaja izay hitan’ny masonao. Aza maika hampiditra ady amin’ny fitsarana, satria, inona no hataonao amin’ny manaraka raha resin’ny mpiady aminao ianao? Miadia ihany ny adinao amin’ny namanao, kanefa aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina, fandrao izay mandre dia hanondro maso anao ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy. Ny teny atao amin’ny antony dia paoma volamena misy ravaka volafotsy. Kavina volamena sy ravaka volamena tsara ny mpananatra hendry, raha amin’ny sofina mihaino. Toy ny hatsiakan’ny orampanala amin’ny taom-pijinjana, dia toy izany ny iraka mahatoky amin’izay naniraka azy: Mamelombelona ny fon’ny tompony izy. Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana ny olona izay mirehaka mampanantena fanomezana tsy misy akory. Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitondra, ary ny teny malefaka no mahatapaka taolana. Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, fandrao voky loatra ianao ka handoa azy. Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka aminao izy ka ho halany ianao. Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany. Toy ny nify simatsimaka sy ny tongotra mangozohozo ny fiankinana amin’ny mpamitaka amin’ny andro fahoriana. Toy ny miala lamba amin’ny hatsiaka ary toy ny vinaingitra amin’ny sirahazo, dia toy izany ny mikalo amin’ny malahelo am-po. Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny. Fa amin’izany dia hanambatra vainafo ho eo ambonin’ny lohany ianao ary NY TOMPO no hamaly soa anao. Ny rivotra avy any avaratra no mahatonga ranonorana, dia toy izany ny lelan’ny mpifosa, mahavinitra endrika. Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady. Rano mangatsiatsiaka amin’ny fanahy reraka ny filazana soa avy any an-tany lavitra. Loharano voahosihosy sy fantsakana voaloto ny marina izay mihozongozona eo anatrehan’ny ratsy fanahy. Tsy tsara ny mihinan-tantely be loatra na ny mitady voninahitra hanampy voninahitra. Tanàna rava tsy misy manda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fahatezerany. Toy ny orampanala amin’ny lohataona ary toy ny ranonorana amin’ny taom-pijinjana, dia toy izany ny voninahitra, tsy antonona ho an’ny adala. Toy ny voronkely mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, dia toy izany ny fanozonana tsy amin’antony: Tsy mba hihatra izany. Ny karavasy dia ho an’ny soavaly, ny lamboridy ho an’ny boriky ary ny tsorakazo dia ho an’ny lamosin’ny adala. Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao. Valio araka ny hadalany ny adala, fandrao hihevi-tena ho hendry izy. Manapaka ny tongony sady misotro loza izay mampitondra teny ny adala. Bilabila ny ranjon’ny malemy tongotra, dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ny adala. Toy ny manisy vato amin’ny antsamotady, dia toy izany ny manome voninahitra ny adala. Toy ny tsilo eny an-tanan’ny olona mamo, dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ny adala. Ny mpandefa zana-tsipìka dia mahavoa ny olona rehetra, toy izany ny manakarama ny olona adala, na ny manakarama izay sendra mandalo. Toy ny amboa miverina amin’ny loany, dia toy izany ny adala miverina amin’ny hadalany. Hitanao va ny olona mihevi-tena ho hendry? Misy hantenaina kokoa ny adala noho izy. Hoy ny kamo: Misy liona any an-dalana! Misy liona atsy an-dalambe! Toy ny varavarana mihodina amin’ny saviliny, dia toy izany ny kamo eo amin’ny fandrianany. Mangarona ny eo an-doviany ny kamo, nefa ny hampakatra azy ho amin’ny vavany dia mahasasatra azy. Ny kamo dia mihevi-tena ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara. Ny mpandalo izay mitsabaka amin’ny ady izay tsy azy dia mandroritra amboa amin’ny sofiny. Toy ny olona mihetsika hadalana izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, toy izany ny olona mamitaka ny namany ka miteny hoe: Tsy kivazivazy ihany va no nataoko? Rehefa tsy misy kitay intsony dia maty ny afo, ary rehefa tsy misy mpifosafosa intsony dia mangina ny fifandirana. Toy ny arina atao amin’ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ny afo, dia toy izany ny olona tia ady, mandrehitra fifandirana. Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka hatrany anaty rehetra any. Tavim-bilany nopetahana taim-bolafotsy ny molotra mirehitra fiteny sy ny fo ratsy. Ny mpandrafy dia mody hafa eo amin’ny molony sady manafim-pitaka ao am-pony. Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy fa fahavetavetana fito no ao am-pony. Ny fankahalana dia mety hiafina ao anatin’ny fitaka, nefa ny haratsiam-panahiny dia hiharihary eo ampahibemaso. Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay manakodiadia vato kosa no hikodiavany. Halan’ny lela mandainga ny olona izay nampahoriny ary ny vava mandokadoka foana dia mahatonga faharavana. Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao, fa na dia ny havoakan’ny anio aza dia tsy fantatrao. Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny tenanao; eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao. Mavesatra ny vato ary misy lanjany ny fasika, fa ny fahasosoran’ny adala dia manoatra noho izy roa tonta. Masiaka ny fahavinirana ary misafoaka ny fahatezerana; fa iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro? Aleo anatra imaso toy izay fitia afenina. Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza, fa tena fitaka ny fanorohana betsaka ataon’ny fahavalo. Hitsakitsahin’ny voky na dia ny toho-tantely aza, nefa mamin’ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza. Toy ny voronkely miala amin’ny akaniny ka mirenireny, dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ny fonenany. Ny diloilo sy ny zavamanitra dia mahafaly ny fo; aleo ny hamamin’ny fisakaizana toy izay ny hevitra avy amin’ny tena. Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, ary aza mankany amin’ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andro fahorianao. Tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra. Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko mba hamaliako izay miteny ratsy ahy. Mahatazana ny loza ny mahira-tsaina ka miery, fa mandroso kosa ny kely saina ka voa. Alao ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy, ary ho solon’ny laniny tamin’ny niantohany vahiny janga. Izay mifoha maraina ka miarahaba ny sakaizany amin’ny feo mahery dia isaina ho fanozonana ny fiarahabany. Tahaka ny ranonorana mijononoka ny vavan’ny vehivavy tia ady. Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra sady toy ny mamihina diloilo amin’ny tanany havanana. Ny vy no andranitana ny vy; toy izany, ny fanatrehan’ny sakaiza no mampahiratra ny endriky ny sakaizany. Izay miambina ny hazo aviavy dia hihinana ny voany ary izay miambina ny tompony dia homem-boninahitra. Toy ny tandindona ao anaty rano ka mifanahaka amin’ny tarehy, dia toy izany no ifanahafan’ny fon’ny olona amin’ny olona. Ny fitoeran’ny maty sy ny tanin’ny fandringanana dia tsy mety voky; toy izany ny mason’ny olona: Tsy mety afa-po izy. Ny memy no ahafantarana ny tena volafotsy, ny fandrendrehana no ahafantarana ny tena volamena, ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka ny lazany. Na dia miara-totoinao fanoto amin’ny vary ao an-daona aza ny adala dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany. Fantaro tsara ny ondry aman’osinao, ary miahia tsara ny andian’ny bibinao, fa ny harena tsy ho mandrakizay; ary moa haharitra ho amin’ny taranaka rehetra va ny satroboninahitra? Na dia lany aza ny ahitra ka mitsiry ny solofony ary voataona ny zavamaniry any an-tendrombohitra, ny zanak’ondry no hahazoanao fitafiana ary ny osy dia hamidinao tany; ampy hosotroinao sy ho an’ny ankohonanao ny rononon’osy ary hisy hiveloman’ny mpanompovavinao. Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza; fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora. Ny fikomian’ny tany dia mahamaro isa ny mpanapaka eo aminy; fa ny fisian’ny olona manan-tsaina sy fahalalana kosa no mampateza ny fanjakana. Ny lehilahy mahantra izay mampahory ny madinika dia toy ny ranonorana izay mipaoka ka tsy mamela hanina. Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy, fa izay mitandrina ny lalàna kosa dia mirehitra hanohitra azy. Tsy mahalala izay rariny ny ratsy fanahy, fa izay mitady NY TOMPO no mahalala ny zavatra rehetra. Ny mahantra izay mandeha amin’ny fahitsiany dia tsara noho ny manankarena nefa mandeha amin’ny lalana miolikolika. Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry, fa izay misakaiza amin’ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy. Izay mampitombo ny fananany amin’ny zana-bola sy ny tombony dia manangona ho an’izay miantra ny mahantra. Izay manentsin-tadìny dia tsy hihaino ny fampianarana; na ny vavaka ataony aza dia fahavetavetana. Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ny lalan-dratsy dia ho lavo ao amin’ny lavaka nataony; fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa. Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena, fa ny mahantra izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy. Rehefa ravoravo ny marina dia lehibe ny voninahitra; fa rehefa misandratra kosa ny ratsy fanahy dia miery ny vahoaka. Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. Sambatra izay olona matahotra mandrakariva! Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza. Liona mierona sy bera miremby amin’ny olona reraka ny mpanapaka ratsy fanahy. Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory, fa izay mankahala ny fitiavan-karena no ho ela velona. Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-dra dia handositra hatrany an-davaka; aoka tsy hisy hihazona azy! Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy, fa izay mandia lalana roa miolikolika dia hianjera ao amin’ny iray. Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina, fa izay manenjika zava-poana ho voky fahantrana kosa. Izay olona mahatoky dia hahazo fitahiana be, fa izay maimay ta hanankarena tsy ho afa-tsiny. Tsy mety ny mizaha tavan’olona; fa na dia amin’ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ny olona hanotana. Ny mpialona dia maimay ta hanankarena; tsy fantany fa ho tonga aminy ny tsy fisiana. Izay mananatra olona no hahita fitia rahatrizay mihoatra noho izay mandokadoka amin’ny lelany. Izay mandroba ray sy reny ka milaza hoe: Tsy heloka izany, dia mpiray dia amin’ny jiolahy. Izay tsy mety afa-po dia manetsika ady, fa izay matoky NY TOMPO no hanana ny feno. Izay matoky ny fony dia adala, fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala. Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be. Raha misandratra ny ratsy fanahy dia miery ny vahoaka; fa raha ringana kosa izy dia mihamaro ny marina. Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka ka tsy hisy fanafana. Raha mihamaro ny marina dia faly ny vahoaka; fa raha ny ratsy fanahy no mitondra dia misento kosa izy. Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy, fa izay misakaiza amin’ny vehivavy janga dia mandany harena. Ny rariny no ampandrian’ny mpanjaka ny tany, fa izay fatra-pampandoa hetra no mandrava azy kosa. Izay olona mandokadoka foana ny namany dia manao vela-pandrika ho an’ny tongony. Misy fandrika amin’ny heloky ny olon-dratsy, fa ny marina dia mihoby sy mifaly. Ny marina dia mihevitra ny adin’ny mahantra, fa ny ratsy fanahy tsy mahalala izany ho fahendrena. Mampihotakotaka ny tanàna ny mpaniratsira, fa ny hendry dia mampitony kosa ny fahatezerana. Raha ny hendry no miady amin’ny adala eo amin’ny fitsarana, na ho tezitra izy na hihomehy dia tsy hanam-pitsaharana. Ny olona mpandatsa-dra dia mankahala ny tsy misy tsiny, fa miahy ny ainy kosa ny mahitsy. Ny hatezeran’ny adala dia avoakany avokoa, fa manindry fo kosa ny hendry. Raha mihaino lainga ny mpanapaka dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra. Mihaona ny mahantra sy ny mpampahory; NY TOMPO no manazava ny mason’izy roa tonta. Izay mpanjaka mitsara marina ny mahantra dia haharitra mandrakizay ny sezafiandrianany. Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena, fa ny zaza avela hanao izay tiany hatao dia mampahamenatra ny reniny. Raha maro ny ratsy fanahy dia mitombo ny ota, fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany. Anaro ny zanakao dia ho famelombelomana ny fonao izy, sady ho fifalian’ny fanahinao. Raha tsy misy fahitana dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona; fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy dia sambatra! Raha teny fotsiny ihany, tsy ampy hananarana ny mpanompo, fa na dia azony aza, tsy ankatoaviny. Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy antenaina kokoa noho izy. Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fahakeliny dia ho mpamingavinga any aoriana any. Ny olona mora tezitra dia manetsika ady ary ny olona masiaka dia be fahadisoana. Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy, fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena. Izay miray tetika amin’ny mpangalatra dia mankahala ny tenany; mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza. Mamandrika ny tahotra olona, fa izay matoky NY TOMPO no tsy hanana ahiahy. Maro no mila sitraka amin’ny mpanapaka, fa avy amin’NY TOMPO ny rariny ho an’ny tsirairay. Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ny marina; fa ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana kosa eo imason’ny ratsy fanahy. Ny teny mavesa-danja nataon’i Agora, zanak’i Jake, dia ny teny nataon-dRalehilahy tamin’Itiela, eny, tamin’Itiela sy Okala. Izaho dia biby fa tsy olona ary tsy manan-tsain’olombelona. Tsy nianatra fahendrena aho, na nahazo ny fahalalan’ny Iray Masina. Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nametraka ireo faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa fantatrao! Ny tenin’Andriamanitra dia voazaha toetra avokoa. Ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy. Aza manampy ny teniny fandrao hanariny ianao ka ho hita fa mpandainga. Zavatra roa loha no angatahiko aminao ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho: Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; aza manome ahy fahantrana na harena; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy, fandrao raha voky aho dia handa ka hiteny hoe: Iza moa NY TOMPO? Ary andrao raha tonga mahantra aho dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro. Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ny tompony fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka. Misy taranaka izay manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny. Misy taranaka milaza ny tenany ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany akory. Misy taranaka izay mampianjonanjona ny fijeriny ary fatra-pampiridiridy ny hodimasony! Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny ary toy ny antsy ny vazany, hamongorany ny ory tsy ho amin’ny tany sy mba hanafoanany ny mahantra tsy ho amin’ny olona. Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo! Omeo! Misy zavatra telo tsy mety voky, eny, efatra aza no tsy milaza hoe: Aoka izay! Ny fitoeran’ny maty sy ny kibo momba, ny tany izay tsy vonton-drano, ary ny afo koa no tsy mba milaza hoe: Aoka izay! Ny mianjonanjona amin-dray sady manazimba tsy mankatò reny dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin’ny zana-boromahery. Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, eny, efatra aza no tsy fantatro: Ny lalan’ny voromahery eny amin’ny habakabaka, ny dian’ny bibilava eny amin’ny vatolampy, ny dian’ny sambo eny amin’ny ranomasina, ary ny dian’ny lehilahy mankany amin’ny tovovavy. Tahaka izany koa ny fanaon’ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy dia mamafa ny vavany ka miteny hoe: Tsy nanao izay ratsy aho! Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, eny, zavatra efatra aza no tsy zakany: Raha ny andevo no tonga mpanjaka, raha ny adala no voky hanina, raha ny vehivavy tsy tiana no ampakarina, ary raha ny mpanompovavy no mandova ny tompovaviny. Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ny etỳ ambonin’ny tany, nefa hendry sady mahay: Ny vitsika izay firenena tsy matanjaka, nefa manangona ny haniny amin’ny fahavaratra; ny hiràka izay firenena tsy manan-kery, nefa manao ny tranony eny amin’ny harambato; ny valala izay tsy manana mpanjaka, nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara; ny antsiantsy izay azonao samborina amin’ny tanana, nefa tonga ao an-dapan’ny mpanjaka. Misy zavatra telo izay tsara famindra, eny, efatra aza no tsara fandeha: Ny liona, izay mahery indrindra amin’ny biby ka tsy mihemotra na amin’inona na amin’inona; ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy ary ny mpanjaka miaraka amin’ny miaramilany. Raha adala ianao ka nanandra-tena, nefa mba nieritreritra, dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao. Ny fanotsankotsanana ny ronono no miteraka rononomandry; ny fanolanana ny orona no miteraka ra ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady. Ny tenin’i Lemoela mpanjaka. Teny mavesa-danja izay nampianarin’ny reniny azy. Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko? Aza omena ny vehivavy ny herinao, ary aza mandeha amin’ny lalana izay mahavery mpanjaka. Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela, eny, tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay, na amin’ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka, fandrao raha misotro izy dia hanadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny olona ory. Omeo toaka izay efa ho faty, eny, divay ho an’izay azon’ny fangidiam-panahy; aoka hisotro izy mba hanadinoany ny fahantrany ary tsy hahatsiarovany intsony ny fahasahiranany! Sokafy ny vavanao hisolo ny moana mba hahazoan’izay rehetra resin’ny adim-piainana ny rariny. Sokafy ny vavanao ka mitsarà amin’ny fahamarinana ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra. Iza no mahita vehivavy mahafatra-po? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. Matoky azy ny fon’ny lahy ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy, amin’ny andro rehetra iainany. Mizaha volon’ondry sy kofehy rongony izy ary mazoto miasa amin’ny tanany. Toy ny sambon’ny mpivaro-mandeha izy ka avy lavitra no itondrany ny haniny. Mifoha izy raha mbola alina ka manome hanina ho an’ny ankohonany ary manome anjara ho an’ny mpanompovaviny. Mihevitra saha izy ka mahazo azy; ny vokatry ny tanany no anaovany tanim-boaloboka. Misikina hery izy ary hatanjahiny ny sandriny. Hitany fa tsara ny tombom-barony ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. Mandray ny hazo fihazonam-bohavoha izy ary ny tanany dia mihazona ny ampela. Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy, eny, mamelatra ny tanany amin’ny mahantra. Tsy manahy ny orampanala ho amin’ny ankohonany izy fa ny ankohonany rehetra dia samy voatafy volon’ondry jaky avokoa. Manao firakotra ho azy izy; ny fitafiany dia vita amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. Ny lahy dia hajaina eo amin’ny vavahady rehefa miara-mipetraka amin’ny loholona. Manamboatra akanjo hariry madinika Ravehivavy ka mivarotra izany ary fehikibo no amidiny amin’ny mpivaro-mandeha. Hery sy voninahitra no fitafiny ary ny andro ho avy dia ihomehezany. Miteny amin’ny fahendrena izy ary fampianarana feno hatsaram-panahy no eo am-bavany. Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana. Ny zanany mitsangana ka midera azy ho sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: Maro ny zazavavy nanao soa, fa manoatra noho izy rehetra ianao. Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra NY TOMPO ihany no hoderaina. Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tanany ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady! Ny tenin’i Mpitoriteny, zanak’i Davida, mpanjaka tany Jerosalema. Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, tena zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! Inona moa no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany etỳ ambanin’ny masoandro? Lasa ny taranaka iray ary mandimby kosa ny taranaka hafa; nefa ny tany dia mbola maharitra eo ihany. Miposaka ny masoandro ary milentika ny masoandro sady miriotra ho any amin’ny toerana izay niposahany. Mianatsimo ny rivotra dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina mihodidina foana. Ny renirano rehetra dia samy mankany amin’ny ranomasina nefa tsy mety feno ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray. Manasatra ny zavatra rehetra ka tsy misy olona mahalaza izany intsony; ny maso dia tsy afa-po mijery, ary ny sofina dia tsy afa-po mihaino. Izay efa teo ihany no ho tonga indray ary izay efa natao ihany no mbola haverina indray; tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro. Raha misy zavatra lazaina hoe: E! Ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ny andro talohantsika ihany izany. Tsy tsaroana ny taloha ary ny ho avy koa dia tsy ho tsaroan’ny taranaka manaraka. Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ny Israely tany Jerosalema. Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako sy nikatsahako tamim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny lanitra; asa mavesatra nomen’Andriamanitra hisasaran’ny zanak’olombelona izany. Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao etỳ ambanin’ny masoandro, fa indro, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany. Ny meloka dia tsy mety ho tonga mahitsy ary ny tsy ao dia tsy mba azo isaina. Hoy aho anakampo: Indro, nanangona fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; eny, nahita fahendrena sy fahalalana betsaka aho. Niasa saina aho mba hahalala ny fahendrena sy hamantatra ny fahadalana; dia fantatro fa sambo-drivotra foana koa izany satria izay be fahendrena dia be fahasahiranan-tsaina ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fanaintainana. Hoy aho anakampo: Aoka ianao mba hozahako toetra amin’ny fifaliana ka hahita ny atao hoe fahafinaretana; kanjo indro, zava-poana koa izany. Hoy aho momba ny fihomehezana: Hadalana izany! Ary momba ny fifaliana: Mahefa inona izany? Nisaina tato am-poko hamalifaly ny tenako tamin’ny divay aho, nefa ninia mbola hitondra izany amin’ny fahendrena ihany aho; nisaina hitana ny hadalana koa aho, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona ka tokony hataony etỳ ambanin’ny lanitra amin’ny andro vitsy iainany. Nanao asa lehibe aho: Nanangana trano maro, nanao tanim-boaloboka; nanao zaridaina sy saha mahafinaritra aho, dia namboly hazo fihinam-boa samihafa karazana tao; nanao kamory aho hanondrahana ny zana-kazo ao amin’ny tany famboleko hazo; nahazo mpanompolahy sy mpanompovavy maro aho, mbamin’ireo zanany teraka tato an-trano; nanana omby sy ondry aman’osy betsaka koa aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema. Nihary volafotsy sy volamena koa aho, rakitra sarobidy izay fananan’ny mpanjaka sy izay avy amin’ny fari-piadidiana samihafa; nahazo mpihira lahy sy vavy maro aho mbamin’izay mahafinaritra ny zanak’olombelona, dia vady sy vady tsindrano betsaka. Efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho, nefa ny fahendreko dia mbola tato amiko ihany. Ary na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho fa nahazo hafaliana avy tamin’ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ny fisasarako rehetra. Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako ka indreo, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany fa tsy nisy nahasoa tetỳ ambanin’ny masoandro. Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon’ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin’ny ela ihany. Ary hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran’ny mazava noho ny maizina. Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany, fa ny adala kosa dia mandeha ao amin’ny maizina; nefa izaho dia mahita fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta. Dia hoy aho anakampo: Mitovy amin’ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy; koa nahoana ary aho no nanana tombom-pahendrena? Dia hoy aho anakampo: Izany koa dia zava-poana. Fa samy tsy mamela fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa raha vao mandroso ny fotoana dia samy hadino izy rehetra. Ary, indrisy! Samy ho faty na ny adala na ny hendry! Dia tonga halako ny miaina satria heveriko fa ratsy ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro ary zava-poana sy sambo-drivotra avokoa ny zava-drehetra. Eny, halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tetỳ ambanin’ny masoandro, izay havelako ho an’izay olona handimby ahy. Ary iza no mahalala na ho hendry izy na ho adala? Nefa izy no ho tompon’izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ny fahendreko tetỳ ambanin’ny masoandro. Izany koa dia zava-poana. Tonga namoy fo aho ny amin’ny fisasarana rehetra izay nisasarako tetỳ ambanin’ny masoandro. Fa misy olona izay misasatra amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahakingana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Izany koa dia zava-poana sy fatiantoka lehibe. Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny ezaky ny fony izay nisahiranany tetỳ ambanin’ny masoandro? Satria ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa ary ny fisasarany dia fahasorisorenana; eny, na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Izany koa dia zava-poana. Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny manao izay hampahafinaritra ny tenany amin’izay nisasarany. Izany koa dia hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra. Fa iza no mihinam-be ary iza no manaram-po mihoatra noho izaho? Ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa dia ampiasainy hanangona sy hamory mba hisy homeny ho an’izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra avokoa. Misy fotoana ho an’ny zavatra tsirairay ary misy fotoana ho an’ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra: Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena; ao ny andro amonoana ary ao ny andro anasitranana; ao ny andro andravana ary ao ny andro ananganana; ao ny andro itomaniana ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana ary ao ny andro andihizana; ao ny andro anariam-bato ary ao ny andro anangonam-bato; ao ny andro amihinana ary ao ny andro ifadiana tsy hamihinana; ao ny andro itadiavana ary ao ny andro ahaverezana; ao ny andro itahirizana ary ao ny andro anariana; ao ny andro androvitana ary ao ny andro anjairana; ao ny andro anginana ary ao ny andro itenenana; ao ny andro itiavana ary ao ny andro ankahalana; ao ny andro iadiana ary ao ny andro ihavanana. Inona no soa azon’ny mpiasa amin’izay isasarany? Efa hitako ny asa izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisahiranany. Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany. Fantatro fa: Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao ny tsara raha mbola velona koa izy. Fantatro koa fa raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa izay rehetra ataon’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay: Tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany. Ataon’Andriamanitra izany mba hahatonga ny olona hatahotra Azy. Izay atao izao dia efa natao fahiny ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; na dia ny efa lasa aza dia mbola tadiavin’Andriamanitra indray. Izao koa no hitako tetỳ ambanin’ny masoandro: Eo amin’ny toeran’ny fitsarana dia ao ny haratsiam-panahy; ary eo amin’ny toeran’ny fahamarinana dia ao ihany koa ny ratsy fanahy. Hoy aho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny ratsy fanahy; fa samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra sy ny asa rehetra etỳ. Hoy aho anakampo, ny amin’ny zanak’olombelona: Ny mba hizahan’Andriamanitra toetra azy izany ka ho hitany fa raha ny tenany ihany dia biby izy. Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo. Izy rehetra dia samy toerana iray ihany no alehany: Avy tamin’ny vovoka izy rehetra ary samy hiverina ho amin’ny vovoka ihany indray. Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby? Efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany satria izany no anjarany; fa iza no hitondra azy hiverina mba hahita izay ho avy any aorianany? Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro ka indro ny ranomason’ny ampahorina nefa tsy misy izay mampionona azy; hery no eo anilan’ny mpampahory azy nefa tsy misy izay mampionona azy. Ny maty izay efa maty ela dia heveriko fa sambatra noho ny velona izay mbola velona, nefa sambatra indray noho ny maty sy ny velona aza izay tsy mbola ary akory ka tsy mahita ny ratsy atao etỳ ambanin’ny masoandro. Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahombiazana rehetra fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona ireny. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany. Ny adala dia mamihin-tanana ka homana ny tenany. Tsara ny fialan-tsasatra eran’ny tanana an’ila noho ny fisasarana eran’ny tanana roa nefa sambo-drivotra foana. Ary izao koa no zava-poana hitako etỳ ambanin’ny masoandro: Misy olona mitoetra irery ka tsy mana-namana, tsy manan-janaka, tsy manana rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany samihafa ary ny masony dia tsy afa-po amin’ny harena ka ilazany hoe: Ho an’iza no isasarako sy tsy ananako fahasambarana? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany. Tsara ny roa noho ny iray fa misy valiny tsara ny fisasarany. Raha misy lavo dia arenin’ny namany; fa mahantra ny tokana izay lavo nefa tsy manana namana hanarina azy. Ary koa, raha miara-mandry ny roa dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery? Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa kosa dia tsy ho leony; ny mahazaka telo olana dia tsy mora tapahina. Aleo zatovo mahantra nefa hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony, na dia avy tao an-tranomaizina aza no nivoahany hanjaka ary na dia tao anatin’ny fahantrana aza no nahaterahany hitondra ny fanjakany. Hitako ny miaina rehetra izay mandeha etỳ ambanin’ny masoandro, manotrona ilay zazalahy izay mitsangana handimby ny efa teo. Tsy hita isa ny fitambaran’ny vahoaka, dia izay rehetra anjakany; nefa izay ho avy any aoriana dia tsy mba hahita fifaliana aminy. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra. Tandremo ny tongotrao raha mankao amin’ny tranon’Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ny adala fanatitra satria tsy fantatr’ireny akory fa ratsy ny ataony. Aza haingam-bava, ary aoka tsy halaky hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao dia etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao. Fa ny haben’ny fisasarana no mahatonga ny nofinofy, ary ny haben’ny teny no isehoan’ny rediredin’ny adala. Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava, fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao. Aleo tsy mivoady toy izay mivoady nefa tsy mahefa. Aza avela hahatonga heloka amin’ny tenanao ny vavanao, ary aza miteny eo imason’ny anjelin’Andriamanitra hoe: Niteny tsy nahy aho. Nahoana no ho tezitra amin’ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan’ny tananao? Fa amin’ny haben’ny nofinofy dia misy zava-poana, ary toy izany koa ny haben’ny teny. Koa matahora an’Andriamanitra. Raha hitanao any amin’ny fari-piadidiana iray ny fampahoriana ny mahantra mbamin’ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony ary mbola misy ambony noho ireo indray aza. Fa ny tombontsoa avy amin’ny tany dia ho an’ny rehetra ary na ny mpanjaka aza dia miankina amin’ny tany famboly. Izay tia vola dia tsy ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be dia tsy ho vokin’ny fitomboan-karena. Zava-poana koa izany. Raha mitombo ny fananana dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ny tompony afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany? Mamy ny torimason’ny mpiasa na homan-kely izy na homam-be; fa ny haben’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory. Misy ratsy mandrera-po hitako etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny harena tehirizin’ny tompony nefa mampidi-doza amin’ny tenany; sady levona izany harena izany noho ny fampiasany azy tamin’ny asa ratsy, dia miteraka zazalahy izy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tanany. Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon’ny reniny, dia toy izay niaviany ihany no hiverenany; tsy hisy na inona na inona hoentin’ny tanany ho valin’ny fisasarany. Ratsy mandrera-po koa izany fa tsy misy hafa amin’izay niaviany no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ny rivotra? Sady laniny ao amin’ny maizina ny androny rehetra ary feno fahasosorana sy mararirary anaty izy sady manao fo lentika. Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin’ny fisasarana rehetra izay isasaran’ny olona etỳ ambanin’ny masoandro mandritra ny andro vitsy omen’Andriamanitra azy hiainany; fa izany no anjarany. Ary izao koa, ho an’ny olona rehetra izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany ary hifaliany amin’ny fisasarany, dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy satria ny fahafinaretana no amenoan’Andriamanitra ny fony. Misy toe-javatra ratsy hitako etỳ ambanin’ny masoandro ary mitambesatra amin’ny olona izany, dia olona izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra ka tsy misy tsy ananany izay rehetra niriny, nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hihinana amin’izany izy fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy toe-javatra mampahory koa izany. Na dia misy miteraka zato aza sady tratra antitra ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa izy sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy aho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy. Fa tamin’ny zava-poana no niaviany ary ao amin’ny maizina no alehany, sady ho voasaron’ny haizina ny anarany, ary tsy nahita na nahalala ny masoandro akory koa izy; mahita fitsaharana be kokoa noho izy ilay tsy tonga volana. Eny, na dia tratry ny arivo taona indroa aza izy nefa tsy nahita fahasambarana, tsy ho any amin’ny toerana iray ihany va no alehan’izy rehetra? Ny fisasarana rehetra ataon’ny olona dia ho an’ny sakafony ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany. Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny adala? Tombontsoa inona no ananan’ny mahantra izay mahay mitondra tena eo imason’ny velona? Ny eo am-pelatanana dia tsara noho ny nofinofy. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany. Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olombelona dia tsy mahazo mifandahatra amin’Izay mahery noho izy. Araka ny hamaron’ny teny no maha maro ny zava-poana, koa inona no tombontsoa azon’ny olona? Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ny fiainana, amin’ny andro mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ny aloka? Iza no hahalaza amin’ny olona izay zavatra ho avy any aorianany etỳ ambanin’ny masoandro? Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra ary ny andro ahaterahana dia tsy mahaleo ny andro ahafatesana. Tsara ny mankany amin’ny trano misy fisaonana noho ny mankany amin’ny trano misy fanasana, fa ho amin’io no hiafaran’ny olombelona rehetra, koa ny velona dia handatsaka izany am-po. Tsara ny alahelo noho ny hehy, fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety ho tsara ihany ny fo. Ny fon’ny hendry dia ao amin’ny trano misy fisaonana, fa ny fon’ny adala kosa dia any amin’ny trano misy fifaliana. Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ny adala. Toy ny firefodrefotry ny tsilo ao ambanin’ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ny adala. Izany koa aza dia zava-poana. Ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry, ary ny kolikoly dia mahasimba ny fo. Tsara ny fiafaran’ny raharaha iray noho ny fiandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavonavona. Aoka tsy halaky tezitra ianao, fa ny fahatezerana dia milafika ao am-pon’ny adala. Aza milaza hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? Fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany. Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’izay mahita masoandro izany satria fialokalofana ny fahendrena ary fialokalofana ny vola; fa ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’izay manana azy ny fahendrena. Diniho ny asan’Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony meloka? Amin’ny andro mahafaly dia mifalia ary amin’ny andro mahory dia mieritrereta; fa Andriamanitra no nanao ny iray, toy ny nanaovany ny iray koa, mba tsy hahitan’ny olombelona izay ho avy any aorianany akory. Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ny androko mandalo foana: misy marina maty noho ny fahamarinany ary misy meloka ela velona noho ny faharatsiany. Aza marina loatra ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao? Aza ratsy loatra ary aza adala; nahoana no ho faty raha tsy mbola tonga ny andronao? Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’itsy; fa izay matahotra an’Andriamanitra dia ho afaka amin’izany rehetra izany. Ny fahendrena dia mahatonga ny hendry hahery kokoa noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna. Fa tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao ny tsara ka tsy manota. Aza mihaino izay teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao satria fantatrao tsara fa matetika ny tenanao koa dia mba efa nanozona ny sasany ihany. Izany rehetra izany dia nozahako toetra tamin’ny fahendrena. Hoy aho: Ho hendry aho. Kanjo lavitra ahy izany. Eny, lavitra ny zava-misy; lalina dia lalina! Iza no hahatakatra azy? Nitodika aho ka nampiasaiko ny saiko mba hahalala, handinika ary hitady fahendrena sy izay anton’ny zavatra rehetra ka hahafantatra ny haratsiam-panahy ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina. Ary hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, rehefa izy no fandrika ary harato ny fony, sady famatorana ny tanany; nefa izay olona ankasitrahan’Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy fa ny mpanota ihany no ho azony. Indro, izany no hitako, hoy i Mpitoriteny, rehefa nandinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitako izay antony. Izay mbola notadiaviko koa nefa tsy hitako, dia izao: Lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ny arivo; fa tao amin’ny vehivavy rehetra dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza. Indro, izao ihany no hitako: Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olombelona, fa izy tenany ihany no namorona tetika maro. Iza no tahaka ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra ao ambadiky ny zava-miseho? Ny fahendren’ny olona dia mahamiramirana ny tarehiny ary manova ny endriny masiaka. Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka, ary izany dia noho ny fianianana nataon’Andriamanitra. Aza malaky manalavitra azy; aza mikikitra amin’ny raharaha ratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa; fa ny tenin’ny mpanjaka dia tenim-pahefana; koa iza no mahazo miteny aminy hoe: Inona no ataonao? Izay mitandrina ny didy tsy mba hahita loza; ary ny saina hendry dia mahalala ny fotoana sy ny fitsarana; fa samy manana ny fotoanany sy ny fitsarana azy ny zava-mitranga rehetra, satria ny ratsy nataon’ny olona dia mitambesatra aminy. Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy, sady iza no hampahafantatra azy izay hiavian’izany? Tsy misy olona manan-kery hahatana ny fofonainy, na manana fahefana ny amin’ny andro hahafatesany; tsy misy afa-miala rehefa misy ady ary ny ratsy fanahy dia tsy ho voavonjin’ny haratsiam-panahiny. Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin’ny nampiasako ny saiko nandinika ny asa rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro. Misy andro anamparan’ny olona fahefana amin’ny namany ka ampidirany loza aminy. Tamin’izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina; nandeha ny olona, ary niala avy teo amin’ny fitoerana masina ka hadino tao an-tanàna ny asa ratsy nataon’ireo. Izany koa dia zava-poana. Saingy tsy tanterahina haingana ny didy ho famaliana ny ratsy natao dia feno faniriana hanao asa ratsy ny fon’ny zanak’olombelona ao anatiny. Eny, fa na manao asa ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Tsy hisy soa ho an’ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela satria tsy matahotra eo anatrehan’Andriamanitra. Izao koa no zava-poana izay atao etỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan-javatra izay tokony ho anjaran’ny ratsy fanahy; ary misy ratsy fanahy mahazo izay tokony ho anjaran’ny marina. Hoy aho: Izany koa dia zava-poana. Dia noderaiko ny fifaliana satria tsy misy mahasoa ny olona etỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo ka izany no hanara-dia azy amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany izay nomen’Andriamanitra azy etỳ ambanin’ny masoandro. Raha nampiasaiko ny saiko hahalala fahendrena sy hahita ny asa atao etỳ ambonin’ny tany, satria misy tsy mahita torimaso na andro na alina, dia hitako avokoa ny asan’Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ny olona ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona tsy ho hitany; eny, raha milaza hahafantatra izany aza ny hendry dia tsy hisy hahazoany mamantatra izany akory. Fa izany rehetra izany dia nalatsako tato am-poko ka ireto rehetra ireto no zavatra hitako: Ny marina sy ny hendry mbamin’ny asany dia samy eo an-tanan’Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana na ho fankahalana dia samy tsy fantatry ny olombelona ny zavatra miandry azy. Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manjo ny tsara fanahy sy ny madio ary ny maloto, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ny tsara fanahy sy ny amin’ny mpanota, ary ny amin’ny mianiana sy ny amin’izay tsy sahy hianiana. Izao no zava-dratsy amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno faharatsiana ny fon’ny zanak’olombelona ka hadalana no ao am-pony amin’ny andro iainany; ary rehefa afaka izany dia ho any amin’ny maty izy. Fa ho an’izay voaisa ho naman’ny velona kosa dia mbola misy antenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty. Fantatry ny velona mantsy fa ho faty izy, fa ny maty kosa dia tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy misy valim-pitia ho azy intsony satria hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay izy amin’izay atao etỳ ambanin’ny masoandro. Mandehana, hano amin’ny fifaliana ny mofonao ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra sahady ny asanao. Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao. Miravoravoa amin’ny vady malalanao amin’ny andronao rehetra mandalo foana izay nomeny anao etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ny andro iainanao sy amin’ny fisasarana izay isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro. Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny fitoeran’ny maty izay alehanao. Ary hitako etỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny mahery mandeha ny hazakazaka, tsy ho an’ny mahery ny ady, tsy ho an’ny hendry ny hanina, tsy ho an’ny mazava saina ny harena ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahatratra azy rehetra. Tsy fantatry ny olombelona ny fotoanany fa toy ny hazandrano azon’ny harato mandoza izy ary toy ny voronkely izay voan’ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’olombelona amin’ny andro mahory rehefa mahavoa azy tampoka izany. Izao koa no fahendrena efa hitako tetỳ ambanin’ny masoandro ary hitako ho zava-dehibe: Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe iray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy. Nisy lehilahy iray tao, izay mahantra nefa hendry, ary izy no nahavonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny, nefa tsy nisy olona mba nahatsiaro izany lehilahy mahantra izany. Koa hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ny mahantra ary ny teniny dia tsy mba henoina. Ny tenin’ny hendry izay re ao amin’ny filaminana dia tsara noho ny antsoantso ataon’ny mpanapaka eo amin’ny olona adala. Aleo fahendrena toy izay fitaovam-piadiana; ary ny mpanota iray dia mahasimba ny soa marobe. Ny fatin-dalitra dia mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpampiharo zavamanitra; toy izany ny hadalana kely izay mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra. Ny fon’ny hendry dia mitondra azy ho amin’izay tsara, fa ny fon’ny adala kosa dia mitondra azy any amin’izay tsy izy. Ary koa, rehefa mandeha eny an-dalambe ny adala dia tonga tsy ampy ny fisainany ka milaza tena amin’ny olona rehetra izy fa adala. Raha tezeran’ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ny toeranao; fa ny fahatoniana dia mahasakana fahotana lehibe. Misy ratsy hitako atỳ ambanin’ny masoandro, toa vokatry ny fahadisoana tsy nahy nataon’ny mpanapaka izany: Asandratra ho amin’ny toerana ambony indrindra ny adala, nefa misy mpanankarena mipetraka amin’ny toerana ambany. Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, nefa ny mpanapaka dia mandeha an-tongotra toy ny mpanompo. Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay mandrava tamboho no hokekerin’ny menarana. Izay manongotra vato no ho voaratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany. Raha dombo ny fitaovana vy ka tsy asaina dia mila ampiasana hery be; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany. Raha manaikitra ny menarana satria tsy nanan-kery ny ody dia tsy misy ilàna ny mpisikidy mahay mampiasa ny vavany. Fahasoavana ny teny aloaky ny vavan’ny hendry, fa ny molotry ny adala kosa dia mandevona ny tenany. Ny fiandohan’ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza. Maro teny ny adala. Tsy misy olombelona mahafantatra izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy izay ho avy any aorianany? Ny fisasaran’ny adala dia mahareraka azy fa ny lalana mankany an-tanàna aza dia tsy fantany akory. Lozanao, ry tany, raha tovolahy no mpanjakanao, ary ny lehibenao dia mihinana dieny maraina! Sambatra kosa ianao, ry tany, raha olona tena mendri-kaja no mpanjakanao, ary ny lehibenao dia homana amin’izay fotoana mety mba hampatanjaka ny tenany fa tsy ny hampahamamo azy! Ny fahalainana no mampianjera ny sakamandimby, ary ny hakamoan’ny tanana no mampitete ny trano. Atao ho fialam-boly ny fisakafoanana; ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no mamaha ny olana rehetra. Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ny eritreritrao aza ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ny efitrano fandrianao aza; fa na dia ny voromanidina aza ange ka hitondra ny feo ary na dia ny manana elatra aza dia hanambara ny teny. Atsipazo eny ambonin’ny rano ny mofonao fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. Samy omeo anjara ny fito, eny, na ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo etỳ ambonin’ny tany. Rehefa feno ranonorana ny rahona dia arotsany amin’ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo ny hazo na mianavaratra, dia eo amin’izay ianjerany ihany no handriany. Izay fatra-pihevitra ny rivotra dia tsy mba hamafy ary izay manahy ny rahona dia tsy mba hijinja. Toy ny tsy ahafantaranao ny lalana alehan’ny rivotra, na ny amin’ny fitombon’ny taolana ao an-kibon’izay manana anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra. Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na itsỳ, na irỳ, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta. Mamy tokoa ny mazava ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro; fa raha ela velona ny olona dia aoka ho faly amin’ny androny rehetra ary aoka izy hahatsiaro fa ho maro ny andro maizina. Zava-poana avokoa izay rehetra ho avy. Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, koa mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany. Koa esory ao am-ponao ny alahelo ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana. Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory ary tsy mbola mihatra ny taona izay hilazanao hoe: Tsy sitrako izao; dieny tsy mbola mihamaizina ny masoandro sy ny fahazavana ary ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona rehefa avy nilatsaka ny ranonorana; fa amin’izay dia hangovitra ny mpiandry trano ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, hitsahatra ny mpanompovavy mikoso-bary, satria efa vitsy ireo ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eny am-baravarankely; hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe rehefa mihamalemy ny feon’ny fikosoham-bary; ho taitra ny olona raha vao maneno ny voronkely ary tsy hahaloa-peo ny zazavavy mpihira rehetra; hatahorana ny toerana avo, fa toa misy zava-mahatahotra eny an-dalana; hamony ny hazo amanda, ny valala dia ho tonga mavesatra, ny voan-tsimperifery tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ny tranony mandrakizay ny olona ary ireo mpitomany dia mandehandeha eny an-dalambe; dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, tsy mbola potika ny siny eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana. Fa amin’izany ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo aloha fa ny fanahy kosa dia hiverina amin’Andriamanitra izay nanome izany. Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! Ary izao koa, satria hendry i Mpitoriteny dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra tenim-pahendrena maro izy. Nikaroka i Mpitoriteny mba hahita teny mahafinaritra; ary izay tena izy no voasorany, dia teny azo antoka. Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronana ary toy ny tsatòka natsangan’ireo mpanangona tenim-pahendrena. Fanomezana avy amin’ny mpiandry tokana izany. Ankoatra izany, anaka, minoa anatra; fa tsy misy farany ny manao boky maro ary manasatra ny tena ny fianarana be. Rehefa re izany rehetra izany dia izao no teny farany: Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zavamiafina tsy an-kanavaka, na soa na ratsy. Ny tononkira tsara indrindra, izay an’i Solomona. Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao. Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ny tovovavy anao. Tariho aho hanaraka anao, dia hiara-hihazakazaka isika; noentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony aho. Hifaly sy hiravoravo ao isika; hankalazaintsika mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; fitiavana marina no itiavany anao. Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’i Jerosalema, toy ny tranolain’i Kedara, toy ny ambaindain’i Solomona. Aza mibanjina ahy fa mivalomainty aho satria nodanihin’ny hainandro. Tezitra tamiko ny zanak’Ineny; notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; nefa ny tanim-boaloboko kosa, izay ahy, dia tsy mba nambenako. Ambarao amiko, ry ilay tian’ny foko, aiza no iandrasanao ny ondrinao, aiza no andriandrianao rehefa antoandro? Fa nahoana aho no ho tahaka izay mirenireny foana eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao? Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy, dia mandehana araho ny dian’ny andian’ondry aman’osy, ary andraso eny amin’ny tranolain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao. Rahavako, ianao dia ampitahaiko amin’ny soavalivaviko mitarika ny kalesy fitondran’i Farao miady. Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; manendrika ny vozonao ireo rojo feno perla. Rojo volamena mitohitohy volafotsy kiboribory no ampiambozonanay anao. Raha eo amin’ny latabany ny mpanjaka dia mamerovero tsara ny nardako. Amiko, ny malalako dia miora iray fehezana madinika mandry eo an-tratrako. Amiko, ny malalako dia salohim-boninkazo any an-tanim-boalobok’i Eny-Gedỳ. Indro, tsara tarehy ianao, Rahavako; indro, tsara tarehy ianao; toy ny an’ny voromailala ny masonao. Indro, tsara tarehy koa ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra ianao; ahi-maitso no fandrianantsika. Hazo sedera ny sakamandimbin’ny tranontsika, ary hazo kipreso ny valindrihantsika. Izaho dia voahirana eny amin’ny tany lemaka ihany ary lisy eny an-dohasaha. Toy ny lisy eo ampovoan’ny tsilo, dia toy izany ianao, Rahavako, eo amin’ny zazavavy. Toy ny hazo paoma iray eo anivon’ny hazo any an’ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ny zanakalahy. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voankazony. Noentiny niditra ho ao an-trano fitoeran-divay aho, ary ny faneva napetrany eo amboniko dia fitiavana. Hatanjaho amin’ny mofo voaloboka aho, ary velombelomy amin’ny paoma fa mararim-pitia aho. Aoka ny tanany havia hiondanako, ary aoka ny tanany havanana hamihina ahy. Mampianiana anareo aho ry zanakavavin’i Jerosalema, amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony. Injay, ny feon’ilay malalako! Indro, tamy izy ka mitsambikimbikina eny an-tendrombohitra ary mitsamboamboatra eny amin’ny havoana. Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; indro, mijanona ao alatranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ny makarakara. Niteny tamiko ny malalako hoe: Mitsangàna, Rahavako, ry tsara tarehiko, ka andao! Fa indro, lasa ny ririnina, tsy misy intsony sady efa lasa ny ranonorana; mamelana eny amin’ny tany ny voninkazo; tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina. Mahamanitra ny voany tanora ny aviavy, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, Rahavako, ry tsara tarehiko, ka avia! Ry voromailalako ao an-tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ny fialokalofana amin’ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho, fa mamy ny feonao, ary mampaharavoravo ny endrikao. Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; fa efa mamony izao ny voalobotsika. Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ny lisy. Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, amin’ny milenti-masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. Eo am-pandrianako aho, rehefa alina, dia mitady ilay malalan’ny aiko; nitady azy aho nefa tsy nahita azy. Hiarina aho ka handehandeha eny an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kianja, hitady ilay tian’ny fanahiko, eny, nitady azy aho nefa tsy nahita azy. Hitan’ny mpiambina izay mandehandeha misafo ny tanàna aho; dia hoy aho hoe: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ny foko iny? Vao avy nandalo ireo kely foana aho dia hitako ilay tian’ny foko ka nohazoniko izy fa tsy navelako handeha mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’Ineny, dia ao amin’ny efitranon’ilay niteraka ahy. Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema, amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony. Iza moa irỳ miakatra avy any an-tany efitra tahaka ny andry setroka sady manitra miora sy ditin-kazo mani-pofona mbamin’ny vovo-javamanitra samihafa entin’ny mpivaro-mandeha? Indro ny filanjan’i Solomona! Lehilahy mahery fo enimpolo, avy amin’ny lehilahy mahery voafantina amin’ny Israely, no manotrona azy. Mitana sabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, ary samy mitondra ny sabany eo amin’ny fehikibony avy noho ny tahotra amin’ny alina. Nanamboatra filanjana ho azy i Solomona mpanjaka, filanjana izay vita tamin’ny hazo avy any Libanona: Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, lamba volomparasy ny fipetrahana eo aminy; ny ao anatiny dia voatemitra fitiavana avy tamin’ny zanakavavin’i Jerosalema. Mivoaha, ry zanakavavin’i Ziona, ka mijere an’i Solomona mpanjaka, izay misatroka ilay satroboninahitra nasatroky ny reniny azy tamin’ny andro nampakarany vady, dia ilay tamin’ny andro nifalian’ny fony. Endre, tsara tarehy ianao, Rahavako! Endre, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia toy ny an’ny voromailala eo amin’ny fisalobonanao; ny volonao dia tahaka ny andian’osy izay miriotra midina ny tendrombohitr’i Gileada. Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy efa voahety izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy; samy kambana avy ireo ka tsy misy tsy mana-namana. Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary milantolanto ny fitenenanao; tahaka ny hasin’ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao; ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’i Davida, natao ho trano fihantonana fitaovam-piadiana; ampinga arivo no voahantona teo, dia ny ampinga rehetra an’ny lehilahy mahery fo. Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela zana-gazela kambana, dia gazela izay miraoka ahitra eny amin’ny lisy. Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, koa amin’ny milenti-masoandro dia handeha ho any amin’ny tendrombohitry ny miora sy ny havoanan’ny ditin-kazo mani-pofona aho. Tsara avokoa izato bikanao izato, Rahavako; tsy misy kilema ianao. Avia hiaraka amiko avy any Libanona, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona; mitazàna avy eny an-tampon’i Amana, eny an-tampon’i Senira sy i Hermona, lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda. Babonao ny foko, ry havako ampakariko, babonao ny foko tamin’ny fijerin’ny masonao an’ila fotsiny sy tamin’ny rojo iray amin’ny vozonao. Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! Eny, tsara noho ny divay! Ary ny hanitry ny menakao dia mihoatra noho ny balisama rehetra! Mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelanao, ary ny fofon’ny fitafianao dia tahaka ny fofon’i Libanona. Saha voafefy tsara ianao ry havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase. Ianao no saha anirian’ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy voninkazo sy narda, eny, narda sy tamotamo, veromanitra sy havozomanitra ary ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra, miora sy hazo manitra mbamin’ny balisama rehetra. Loharano ao an-tsaha ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona. Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, mitsofa eny an-tsahako hielezan’ny fofon’ny balisama. Aoka ny malalako hankaty an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara. Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; mioty ny miorako mbamin’ny balisama aho; efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ny rononoko. Mihinàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala. Natory aho nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! Ny feon’ny malalako, izay mandondòna hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema fa vonton’ando ny lohako; ny voloko milantolanto dia kotsan’ny andon’ny alina. Efa niala akanjo aho, koa hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa avy nanasa tongotra aho, koa hataoko ahoana ny handoto azy indray? Nampiditra ny tanany teo amin’ny lava-kombarika ilay malalako dia nangorakoraka azy ny foko. Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho ary nitete miora ny tanako, eny, nitete ranon’ny miora ny rantsan-tanako teo amin’ny famohana ny hidim-baravarana. Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; very hevitra tamin’ny fitenenany teo am-baravarana aho; nitady azy aho nefa tsy nahita; niantso azy aho nefa tsy novalìny. Nahita ahy ny mpiambina izay mandehandeha manao andrimaso eny an-tanàna, dia nikapoka sy nandratra ahy; ary nesorin’ireo mpiambina ny manda ny lamba fisaonako. Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho. Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao? Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ny alinalina. Ny lohany dia toy ny tena volamena tsy miharo; ny volony dia milantolanto sady mangiloilo toy ny an’ny goaika. Ny masony dia tahaka ny an’ny voromailala eo anilan’ny sakeli-drano, mandro amin’ny ronono sady tahaka ny vatosoa nalatsaka an-tranontranony. Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zavamanitra eo an-tsaha, tahaka ny tilikambo misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lisy no sady mitete ranon’ny miora. Ny tanany dia tahaka ny haba volamena voaisy krizolita; ny tenany dia tahaka ny ivoara voalama tsara no sady misarona safira; ny ranjony dia tahaka ny marbra fotsy miorina amin’ny faladia volamena tsy miharo; ny tarehiny dia tahaka an’i Libanona, tsara toy ny sedera. Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha te ho tia avokoa ny aminy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’i Jerosalema! Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao mba hiarahanay aminao hitady azy? Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ny tanim-boninkazo misy zavamanitra mba hiandry ny ondriny miraoka ahitra eny an-tsaha sy hioty ny lisy. An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny andian’ondriny eny amin’ny lisy. Tsara tarehy tahaka an’i Tirza ianao, Rahavako, eny, tsara tarehy tahaka an’i Jerosalema, mahatahotra toy ny andia-miaramila mitondra faneva. Avilio tsy hijery ahy ny masonao fa mampiontanontana ny foko. Ny volonao dia tahaka ny andian’osy izay miriotra midina an’i Gileada. Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy; samy kambana avy ireo fa tsy misy tsy mana-namana; tahaka ny hasin’ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao. Misy mpanjakavavy enimpolo sy vady tsindrano valopolo ary zatovovavy tsy hita isa. Fa tokana kosa ny voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavitokan’ny reniny sady tsongaina amin’izay naterany. Ny tovovavy izay nahita azy dia nilaza azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vady tsindrano ka nidera azy. Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina izay tsara tarehy tahaka ny volana, mamiratra toy ny masoandro nefa sady mahatahotra toy ny andia-miaramila mitondra faneva? Lasa nidina nankany an-tsaha misy ny hazo fihinam-boa aho, hijerijery ny zava-maitso eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra. Tsy nampoiziko ny nipetrahako teo amin’ny kalesin’ny fireneko be voninahitra. Miverena, miverena, ry Solemita; miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ny Solemita? Dihy tahaka ny ataon’ny mpandihy roa tonta. Endre! Maha te hijery ny famindran’ny tongotrao manao kapa, ry zazavavy, zanaky ny manamboninahitra! Ny manodidina ny andilanao dia tahaka ny firavaka izay nataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra. Ny foitranao dia tahaka ny kapoaka boribory; tsy ho diso divay noharoharoan-javamanitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny varimbazaha an-tobiny sady voaravaka lisy manodidina. Ny nononao roa dia tahaka ny zana-gazela kambana; ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivoara; ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, eo am-bavahadin’i Bata-Rabima; ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona izay manandrify an’i Damaskosy. Ny lohanao dia tahaka an’i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ny volonao olioly ny mpanjaka! Endre! Tsara tarehy sady mahafinaritra noho izao zava-mahafinaritra rehetra izao ianao ry malala! Izato tsangananao dia tahaka ny palma, ary ny nononao dia tahaka ny sampahony. Hoy aho: Hananika ny palma aho ka handray ny rantsany; ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ny paoma; ny vavanao dia toy ny divay tsara. Eny, divay mikorotsaka mora ao an-tendan’ny malalako sady miditra misononoka amin’ny molotry ny matory. An’ny malalako aho, sady manina ahy izy. Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; andeha handry any ambanivohitra isika. Dia aoka hifoha vao maraina ho any an-tanim-boaloboka isika; aoka hozahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, raha mivelatra ny voniny, ary raha mamony ny ampongabendanitra. Any no hanehoako ny fitiavako anao. Mamerovero tsara ny dodaima, sady eo am-bavahadintsika dia misy voankazo tsara samihafa, na ny vao na ny ela; efa notahiriziko ho anao ireo, ry malalako. Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko izay ninono tamin’Ineny ianao, dia ho nahita anao teny alatrano aho ka ho nanoroka anao, eny, tsy ho azon’olona noesoesoina aho. Dia hoentiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’Ineny ianao, ary ampianaro aho; hampisotroiko divay noharoharoan-javamanitra mbamin’ny ranon’ampongabendanitro ianao. Aoka hanondana ahy ny tanany havia, ary aoka hamihina ahy ny tanany havanana. Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony. Iza moa irỳ vehivavy miakatra avy any an-tany efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’ny hazo paoma no namohazako anao; teo no niterahan’ny reninao anao, eny, teo no nahararian’ilay niteraka anao. Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao sy toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao aho; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fitoeran’ny maty ny fahasaro-piaro; ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’NY TOMPO. Na dia ny ony maro aza dia tsy afaka hamono ny afon’ny fitiavana, ary na ny renirano aza dia tsy mahapaoka azy; na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hividianana fitiavana dia hatao tsinontsinona izy. Manana zandry vavy tsy mbola misy nono izahay; ahoana no hataonay amin’ny zandrinay vavy raha tonga izay andro hangatahan’olona azy ho vady? Raha rindrimbe izy dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; fa raha varavarana kosa izy dia hotampenanay hazo fisaka sedera. Rindrimbe aho, ary ny nonoko dia toy ny tilikambo. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita fiadanana aho. Nanana tanim-boaloboka tao Baala-Hamona i Solomona; nahofany tamin’ny olona mpiandry voly io tanim-boaloboka io ka samy tsy maintsy mitondra sekela volafotsy arivo ho solon’ny vokatra ao ny tsirairay. Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ny tenako, dia eto anatrehako, ny arivo kosa dia anao ry Solomona, ary ny roanjato dia ho an’izay mpiandry voly. Ry mitoetra eny an-tsaha! Te hihaino ny feonao ireo namako; mba ampandreneso izany koa aho. Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora any an-tendrombohitry ny balisama. Ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza, izay hitany ny amin’ny Joda sy i Jerosalema tamin’ny andron’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda. Mihainoa ry lanitra! Atongilano ny sofinao ry tany! Fa NY TOMPO no miteny hoe: Nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo nikomy Tamiko ireo. Ny omby dia mahalala ny tompony, ary ny boriky dia mahalala ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa ny Israely no tsy mahalala, ny oloko no tsy mahazo an-tsaina. Indrisy! Firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Nahafoy NY TOMPO izy, nanamavo ny Iray Masin’ny Israely, efa nikomy izy. Nahoana no mbola te hokapohina ihany ianareo noho izao fikomianareo lalandava izao? Henika aretina ny loha manontolo ary marary ny fo manontolo. Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy izay tsy marary, ratra sy dian-kapoka ary fery vao tsy voatsabo na voafehy na voalemin’ny diloilo. Lao ny taninareo; voadoro tamin’ny afo ny tanànanareo; lanin’ny hafa firenena eo imasonareo ny tanimbolinareo. Lao izy, toy ny efa noravan’ny hafa firenena. Nilaozana i Ziona zanakavavy, tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka sy tahaka ny trano fialofan’ny mpiandry voly ao anaty tanim-boatango, tahaka ny tanàna natao fahirano. Raha tsy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namela olona vitsivitsy tamintsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma isika ary nitovy tamin’i Gomora. Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora! Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? Hoy NY TOMPO. Efa tofoka amin’ny ondrilahy atao fanatitra dorana manontolo sy ny jaboran’ny zanak’omby mifahy Aho; tsy sitrako ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy. Rehefa tonga miseho eo anatrehako ianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? Aza mitondra fanati-poana intsony, fahavetavetana amiko ny fofony; ny amin’ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-pivoriana: Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! Halako ny voaloham-bolanareo sy ny andro firavoravoanareo, mavesatra amiko izany; sasatra mitondra azy Aho. Raha mamelatra ny tanana ianareo dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be dia be aza ianareo dia tsy hihaino Aho; Feno ran’olona ny tananareo. Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; atsaharo ny fanaovan-dratsy; Mianara hanao ny tsara, katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena. Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy. Raha manaiky sy mankatò ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; fa raha mbola mandà sy mikomy ihany ianareo dia ho lanin’ny sabatra. Ny vavan’NY TOMPO no niteny. Indrisy! Tonga janga ity tanàna nahatoky! Feno ny rariny izy taloha sady nitoeran’ny fahamarinana, fa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao aminy! Tonga tain-drendrika ny volafotsinao; voatsatso tamin’ny rano ny divainao. Ireo lehibenao dia mpikomy sady naman’ny mpangalatra; samy tia kolikoly sy fatra-pitady tambitamby avokoa izy rehetra; tsy mba omeny rariny ny kamboty ary tsy avelany hoentina eo aminy ny adin’ny mpitondratena. Noho izany dia hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Ilay Maherin’ny Israely: E! Hamely ny mpanohitra Ahy Aho ary hamaly faty ny fahavaloko. Hamerina ny tanako ho aminao indray Aho ka hodioviko amin’ny sirahazo ianao hahafahan’ny tain-drendrikao anao; hesoriko ny firaka rehetra aminao. Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao ary ho toy ny tamin’ny voalohany ny mpanolotsainanao. Rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe Tanànan’ny fahamarinana, Tanàna mahatoky. Havotana amin’ny fitsarana i Ziona ary izay miverina ao dia havotana amin’ny fahamarinana. Samy haringana avokoa ny mpikomy sy ny mpanota; eny, ho lany ritra izay mahafoy NY TOMPO. Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ny hazo terebinta izay nifalianareo ary hangaihay ianareo noho ny amin’ny saha izay nofidinareo. Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo sady ho tahaka ny saha tsy misy rano. Ny mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ny asany dia ho tahaka ny kilalaon’afo; hiaraka hirehitra izy roa tonta ary tsy hisy hamono ny afo. Ny tenin’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’izay hitany momba ny Joda sy i Jerosalema. Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia ho tafaorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana, ary ny firenena rehetra no hitanjozotra hankany. Eny, olona marobe no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba! Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, sy handehanantsika amin’izay tokony haleha. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO. Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony. Ry taranak’i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’NY TOMPO! Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Ianao satria feno ny fanaon’ny avy any atsinanana izay mpanandro tahaka ny Filistina izy sady nanao fanekena tamin’ny zana-bahiny; feno volafotsy sy volamena ny taniny, tsy hita lany ny harenany, feno soavaly ny taniny ary tsy hita isa ny kalesy fitondrany miady. Feno andriamanitra tsy izy ny taniny; eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, dia eo anoloan’izay nataon’ny rantsantanany; Koa hatao mitanondrika ny zanak’olombelona ary haetry ny olona; nefa aza mamela ny helony Ianao! Midira ao amin’ny vatolampy ary miere ao amin’ny vovoka noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany. Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry ary ny fiavonavonan’ny olona dia hatao mitanondrika; fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany. Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny, dia ny sedera rehetra any Libanona izay avo sady manerinerina, ny hazo oaka rehetra any Basana, ny tendrombohitra avo rehetra, ny havoana manerinerina, ny tilikambo fiambenana miringiringy rehetra, ny manda mafy rehetra, ny sambon’i Tarsisy rehetra ary ny taozavatra tsara tarehy rehetra. Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona, ary ny fiavonavonan’ny olona dia haetry; Fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany. Ny andriamanitra tsy izy dia ho foana avokoa. Hiditra any amin’ny zohy ao amin’ny lavabato sy any amin’ny lavaka feno vovoka ny olona noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany; hiditra amin’ny triatra amin’ny vatolampy sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy, noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. Mitsahara fa aza mitoky amin’ny olombelona, fofonaina ihany no eo am-bavorony, koa zinona moa izy? Indro NY TOMPO Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, manaisotra amin’i Jerosalema sy Joda ny andry sy tohana rehetra, dia ny sakafo rehetra sy ny rano rehetra izay tohan’aina, ny lehilahy mahery fo sy ny mpiady, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpisikidy sy ny loholona, ny mpifehy dimampolo sy ny manankaja, ny mpanolotsaina sy ny mpahay taozavatra ary ny mahay ny boredirediky ny mpitana ody. Hanendry ankizilahy ho lehibeny Aho, ary haitraitran-jaza no hitondran’ireo azy. Hifampijaly ny vahoaka, dia izy samy izy sy ny namany avy; ny tanora dia hihetraketraka amin’ny zokiolona, ary ny tsinontsinona amin’ny manankaja. Hisy olona hohazonin’ny rahalahiny ao an-tranon’ny rainy ka hitenenany hoe: Ianao no manana fitafiana ka aoka ho mpanapaka aminay! Ary aoka ho andraikitrao izao faharavana izao! Dia hanangam-peo izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mpitsabo aho ary tsy misy hanina na fitafiana ao an-tranoko; koa tsy azonareo apetraka ho mpanapaka amin’ny olona aho! Fa tafintohina i Jerosalema ary potraka i Joda satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra NY TOMPO mba hikomy eo anatrehan’ny voninahiny. Miampanga azy ny fisehon’ny tarehiny; mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Loza ny manjo azy! Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy. Lazao hoe: Hahita soa ny marina, fa ny vokatry ny asany no hohaniny. Loza no hanjo ny ratsy fanahy! Satria ny valin’ny nataon’ny tanany ihany no hanody azy. Ny amin’ny oloko dia zaza no mampahory azy, ary vehivavy no mitondra azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao sady mandrava ny lalana alehanao. Mitsangana handahatra NY TOMPO ary mijoro hitsara ny olona. Miampanga ny loholona sy ny lehiben’ny olony amin’ny fitsarana NY TOMPO hoe: Ripakareo ny tanim-boaloboka! Ary ao an-tranonareo ny fananan’ny mahantra izay efa nalainareo an-keriny! Nahoana no dia hosihosenareo ny oloko ary torotoroinareo ny tavan’ny madinika? Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao. Hoy NY TOMPO: Satria miavona ireo zanakavavin’i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka sady kasikasy fandeha ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, dia hataon’ny Tompo feno takompery ny tampon-dohan’ny zanakavavin’i Ziona ary hahanjahanjan’NY TOMPO ny tampon-kandriny. Amin’izany andro izany dia hesorin’NY TOMPO ny firavaka rehetra: Ny fehin-tongotra, ny sarondoha, ny firavaka sarim-bolan-tsinana, ny kavina, ny rojo, ny fisalobonana, ny satroka, ny rojo parapaingo, ny fehikibo misy haingony, ny fitoeran-dranomanitra, ny ody fiambozonany, ny peratra, ny kavin’orona, ny akanjo fihaingoana, ny akanjobe fanao ivelany, ny salotra, ny poketra, ny fitaratra, ny atin’akanjo, ny fehiloha ary ny lamba fisaronana. Hosoloana zavatra maimbo ny ranomanitra; hosoloana mahazaka ny fehikibo tsara; hosoloana loha sola ny volo voavoatra tsara; hosoloana akanjo fisaonana ny akanjo mirebareba ary hosoloana marika amin’ny vy mahamay ny hatsaran-tarehy. Ho lavon-tsabatra ny lehilahy ao aminao ary ho faty an’ady ny lehilahy mahery fo ao aminao ka hitomany sy hisaona ny vavahadiny; ho foana ny tanàna ka hitorovoka amin’ny tany. Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hiteny hoe: Ny haninay ihany no hohaninay ary ny fitafianay ihany no hanaovanay; fa izao no hany angatahinay: Aoka hampitondraina ny anaranao izahay ka afaho tondro-maso! Amin’izany andro izany dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra ny solofon’NY TOMPO, ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’izay nieren-doza tamin’ny Israely. Koa izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina, dia izay rehetra voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema. Rehefa voasasan’ny Tompo ho afaka amin’ny fahalotoany ireo zanakavavin’i Ziona, ary voadion’ny fanahin’ny fitsarana sy ny fanahin’ny fandringanana ho afaka amin’ny ran’olona nalatsany i Jerosalema, dia hamorona rahona sy setroka NY TOMPO amin’ny antoandro ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Ho eny ambonin’ny toerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona izany sady ho eny ambonin’ny fivoriany rehetra; satria ho fiarovana eo ambonin’ny zavatra rehetra ny voninahiny. Hisy tranolay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro sady ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka. Nasainy io ka nesoriny ny vato dia novoleny karazam-boaloboka tsara; nanao trano fiambenana teo afovoany Izy ary nandavaka famiazam-boaloboka teo. Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, kanjo namoa voalobo-dratsy io. Noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ny Joda, miangavy anareo aho, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko! Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanim-boaloboko ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, nahoana no namoa voalobo-dratsy izy? Koa ankehitriny, aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ny tanim-boaloboko. Hesoriko ny fefy tsilony ka holevonina izy; harodako ny fefy vatony ka ho voahitsakitsaka izy; Hataoko simba tanteraka izy: Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo. Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy. Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny taranak’Israely, ary ny lehilahy amin’i Joda no voly tiany. Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo indro, heloka be vava! Niandry fahamarinana Izy, kanjo indro, fitarainana! Lozanareo izay manampy trano amin’ny trano sady manampy saha amin’ny saha ambara-paha tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony! Fa ianareo irery no monina eo amin’ny tany! Izao no ren’ny sofiko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro; eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra. Bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo zemeda, ary eran’ny efaha monja no ho vokatry ny masomboly eran’ny homera. Lozan’izay mifoha vao maraina ka mitady toaka, izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay! Ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; nefa tsy mba jereny ny asan’NY TOMPO, ary tsy mba hitany ny asan’ny tanany. Vokatr’izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsy fahalalany; ho mosarena ny olona ambony ary ho mainan’ny hetaheta ny valalabemandry. Koa izany no mampitanatana vava ny fitoeran’ny maty hanao teli-moka an’i Jerosalema; any no hivarinan’ny olo-manankajany sy ny valalabemandriny ary ny tabatabany mbamin’ny fifaliany. Hatao mitanondrika ny zanak’olombelona ary haetry ny olona; ny mason’ny miandranandram-pijery dia haidina. Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hisandratra amin’ny fitsarany marina, ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin’ny fahamarinana. Hiraoka ahitra toy ny eny amin’ny tany fiandrasana azy ihany ny zanak’ondry, ary any an-tany foana no hipetrahan’ny ondry matavy ka mpirenireny no hiandry ondry ao. Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny famitahana, ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsarety sady miteny hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany mba ho hitantsika! Ary aoka hanakaiky sy ho tanteraka izay kasain’ny Iray Masin’ny Israely ka ho fantatsika! Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy, izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina, izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy! Lozan’izay manao azy ho hendry sy mihevi-tena ho manan-tsaina! Lozan’izay raindahiny amin’ny fisotroan-divay sy mahery amin’ny fampiharoharoana karazan-toaka! Manamarina ny meloka noho ny kolikoly izy sady manala ny rariny amin’ny marina! Koa toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo sy toy ny fihalevonan’ny bozaka midedadeda no hahalovan’ny fotony sy hijofoan’ny voniny tahaka ny vovoka, satria efa nandà ny lalànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy sy nanamavo ny tenin’ny Iray Masin’ny Israely. Koa izany no irehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny olony sy anaingany ny tanany aminy ka amelezany azy; dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ny olona dia tonga tahaka ny fako eny an-dalambe. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany. Hanangana faneva ho amin’ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso firenena iray avy any am-paran’ny tany; ary indro, avy haingana dia haingana izy. Tsy hisy reraka na tafintohina aminy; tsy hisy ho rendremana na hatory; tsy hisy hanana fehikibo miboraka, na fehin-kapa tapaka; Maranitra ny zana-tsipìkany ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; ny kitron-tsoavaliny dia atao ho tahaka ny afovato, ary ny kodiarany dia ho tahaka ny tadio. Ny fierony dia tahaka ny fieron’ny liom-bavy; mierona tahaka ny liona tanora izy; eny, manerona izy ka mandrapaka ny remby, lasany izany ka tsy azo alaina intsony. Hisy hirohondrohona aminy amin’izany andro izany, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina; ary raha mijery ny tany ny olona dia indro haizina sy fahoriana; ary ny fahazavana dia hohamaizinin’ny rahona matevina. Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’akanjony nahafeno ny tempoly. Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy: Ny roa dia nanaronany ny tavany, ny roa dia nanaronany ny tongony ary ny roa dia nanidinany. Ary nanandratra ny feony ireo ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Henika ny voninahiny ny tany rehetra! Dia nihorohoro ny fanambanin’ny tokonana noho ny feon’ilay nanandratra ny feony ary feno setroka ny Trano. Dia hoy aho: Lozako! Maty aho, fa lehilahy maloto molotra sady ato amin’ny firenena maloto molotra no onenako, nefa ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko. Dia nanidina nanatona ahy ny serafima iray, nitondra vainafo teny an-tanany, izay nalainy tamin’ny tandra avy teo amin’ny alitara. Ary natehiny ny vavako izany ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io: Afaka ny helokao ary voavela ny fahotanao. Ary nandre ny feon’ny Tompo aho hoe: Iza no hirahiko? Iza no handeha ho irakay? Dia hoy aho: Inty aho, iraho aho! Ary hoy Izy: Mandehana ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahalala! Hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahafantatra! Ataovy donto ny fon’ity firenena ity, ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka ho sitrana. Ary hoy aho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ny tanàna ka tsy hisy mponina, ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tanteraka. Ary NY TOMPO hampandeha lavitra ny olona ka hihamaro ny tany lao. Ary na misy ampahafolony aza sisa dia mbola hosimbana ihany koa izany; kanefa tahaka ny hazo terebinta sy ny hazo oaka izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony. Tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia mpanjakan’ny Joda, no niakaran’i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy afaka niady taminy izy. Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Arameana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary nihovotrovotra ny fony sy ny fon’ny vahoakany, toy ny fihovitrovitry ny hazo any an’ala raha asian’ny rivotra. Ary hoy NY TOMPO tamin’Isaia: Mivoaha ianao sy i Seara-Iasoba zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakandrano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba, koa lazao aminy hoe: Mitandrema ka aza taitaitra foana; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midona-tsetroka ireto, dia ny firehetan’ny fahatezeran’i Rezina sy i Arama ary ny zanak’i Remalia. Satria manam-pikasana hampidi-doza anao i Arama sy i Efraima ary ny zanak’i Remalia ka miteny hoe: Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy ary haka azy ho antsika dia hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy ho tanteraka izany sady tsy hisy, satria ny lohan’i Arama dia i Damaskosy, ary ny lohan’i Damaskosy dia i Rezina. Ary ao anatin’ny dimy amby enimpolo taona dia ho rava i Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony. Ny lohan’i Efraima dia i Samaria, ary ny lohan’i Samaria dia ny zanak’i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo dia tsy ho tafatoetra! Mbola niteny tamin’i Ahaza ihany NY TOMPO hoe: Mangataha famantarana avy amin’NY TOMPO Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ny lalina, any amin’ny fitoeran’ny maty, na avy any amin’ny avo, any ambony indrindra any. Hoy anefa i Ahaza: Tsy hangataka aho, tsy haka fanahy NY TOMPO aho. Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ry taranak’i Davida! Heverinareo ho zavatra kely foana va ny hanasatra ny olona no mbola hanasatra an’Andriamanitro koa ianareo? Noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanana anaka ny virijiny ka hiteraka zazalahy; ny anarany hataony hoe Imanoela, izany hoe: Amintsika Andriamanitra. Rehefa mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara ny zaza dia rononomandry sy tantely no ho fihinany. Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo. NY TOMPO hahatonga aminao sy ny olonao ary ny fianakavian’ny rainao izay andro tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda. Ny mpanjakan’i Asiria izany. Amin’izany andro izany, NY TOMPO hisiaka hiantso ny lalitra izay any amin’ny faran’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely izay any amin’ny tany Asiria; dia ho avy ireo ka samy hipetraka any amin’ny lohasahan-driaka, eny an-tsefatsefaky ny harambato, eny amin’ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ny saha fiandrasana rehetra. Amin’izany andro izany koa dia hoharatan’ny Tompo amin’ny hareza nofaina tany ampitan’ny ony Eofrata, miaraka amin’ny mpanjakan’i Asiria, ny loha sy ny volon-tongotra; ary hokakasany koa ny volombava. Amin’izany andro izany dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona. Ho be tokoa ny ronono azo avy amin’ireo ka hihinana rononomandry ny olona; rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany. Amin’izany andro izany dia ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo fototra tokony ho arivo sekela. Zana-tsipìka sy tsipìka no hoentin’izay miditra ao satria rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra. Ary ny havoana rehetra izay nohavàna tamin’ny angady dia tsy ho sahinao diavina noho ny fahatahorana ny anjavidy sy ny tsilo: Ho falehan’ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’osy izany. Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana! Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia. Nanakaiky ny mpaminanivavy aho; dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-Salala-Hasy-Baza. Satria raha tsy mbola mahatonona hoe: Dada! Neny! Io zazalahy io dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny harenan’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria. Mbola niteny tamiko indray NY TOMPO hoe: Satria mandà ny rano Siloa izay misononoka ity firenena ity ary mifaly amin’i Rezina sy ny zanak’i Remalia dia indro, hampiakarin’ny Tompo hanafotra azy ny ranobe manonja amin’ny ony Eofrata, dia ny mpanjakan’i Asiria sy ny voninahiny rehetra. Ho tondraka ny renirano ary hihoarany ny morony rehetra; dia hiriotra mafy izy ka hipaoka ny Joda ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany mandra-pahatongany havozona. Ary ny fivelatry ny elany dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô! Mangovita ianareo, ry firenena ô, fa mbola ho ringana ianareo! Mihainoa tsara, ry tany lavitra rehetra! Misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana ihany! Eny, misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana tanteraka. Makà saina ianareo hanaovana vinavinan’asa, nefa hofoanana izany! Milazà teny iray; fa tsy ho tanteraka tsy akory izany! Fa aminay Andriamanitra. Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko raha nihazona ahy mafy ny tanany ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho: Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ity firenena ity ho tetika fikomiana; aza matahotra izay atahorany ianareo na mangorohoro noho ny aminy. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hamasino; Izy ihany no tokony hatahoranareo, ary Izy ihany no tokony hampangovitra anareo. Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa ho an’ny firenena roa amin’ny Israely, sady ho fandrika sy tonta ho an’ny mponin’i Jerosalema. Maro no ho tafintohina Aminy sady ho lavo sy ho torotoro ary ho voafandrika sy ho voasambotra. Tehirizo ny teny vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro. Hiandry NY TOMPO izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba aho; hanantena Azy ihany aho. Indreto izaho sy ireo zaza nomen’NY TOMPO ahy, fambara sy fahagagana ao amin’ny Israely avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay monina ao amin’ny tendrombohitra Ziona. Raha misy milaza aminareo hoe: Makà saina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro, izay mingonongonona sy miboredidredika! Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Moa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy? Ho amin’ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy dia ho olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina. Hivezivezy amin’ny tany amin’ny fahantrana sy ny mosary ny olona; ary rehefa mosarena izy dia ho sosotra ka hanozona ny Mpanjakany sy Andriamaniny ary hiandrandra izy. Hijery ny tany izy avy eo ka indro, fahoriana sy fahamaizinana ary tebiteby mampanjombona no eo; ary horoahina ho any amin’ny haizim-pito izy. Tsy hanjombona mandrakariva anefa ilay efa niharam-pahoriana. Taloha dia natao tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; fa amin’ny ho avy kosa dia homeny voninahitra ny lalana amoron-dranomasina, any andafin’i Jordana, dia any Galilia, tanin’ny Jentilisa. Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tanin’ny aloky ny fahafatesana no amirapiratan’ny mazava. Hamaroinao ity firenena ity ary ampitomboinao ny hafaliany. Mifaly eo anatrehanao tahaka ny hafaliana amin’ny fararano izy; eny, tahaka ny fibitahan’ny olona raha mizara babo. Fa ny bao fitondrany entana sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny, izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midianita. Fa ny kiraron’izay mivatravatra fandeha amin’ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodorana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany. Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fahefana dia eo an-tsorony; ny anarany atao hoe Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Mandefa teny ho an’i Jakoba ny Tompo ka mihatra amin’ny Israely izany. Ho fantatr’izy iray firenena izany, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony hoe: Biriky no efa nirodana fa vato voapaika kosa no harafitsika; aviavy no voakapa fa sedera kosa no hasolontsika azy. Manandratra ny rafilahin’i Rezina hihoatra azy NY TOMPO ary mampirisika ny fahavalony, dia ny Arameana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; misanasana vava handrapaka ny Israely ireo. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany. Tsy miverina amin’Izay mamely azy ny olona; eny, tsy mba tadiaviny Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Noho izany dia hofongoran’NY TOMPO amin’ny Israely ao anatin’ny indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampana palma sy ny zozoro. Ny loholona sy ny olo-manankaja no loha, ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo. Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, ary izay tarihiny dia voatelina. Noho izany dia tsy mahafaly NY TOMPO ny zatovony, ary tsy iantrany ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy satria samy tsy mino sy mpanao ratsy izy, ary milaza hadalana ny vava rehetra. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany. Fa mandoro tahaka ny afo ny haratsiam-panahy, mandevona ny tsilo sy ny anjavidy ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina ny setroka misavoana. Noho ny fahatezeran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia kilan’ny afo ny tany, ary tahaka ny kitay atohoka amin’ny afo ny olona. Tsy misy olona miantra ny rahalahiny. Mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; mandany eny ankavia izy nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra. Eny, mihinana an’i Efraima i Manase ary mihinana an’i Manase kosa i Efraima; miara-mamely an’i Joda izy roa tonta. Kanefa na izany rehetra izany aza tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany. Lozan’izay mamoaka lalàna mampidi-doza sady mampanoratra didy fampahoriana mba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty! Inona no hataonareo amin’ny andro famaliana, rehefa ho tonga avy any lavitra ny fandringanana? Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny voninahitrareo? Tsy misy azo atao afa-tsy mihohoka miaraka amin’ny mpifatotra sy mianjera miaraka amin’ny voavono. Kanefa na izany rehetra izany aza dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany. Lozan’i Asiria, tsorakazon’ny fahatezerako! Eny, tehina eny an-tanany ny fahavinirako! Hamely firenena ratsy fanahy no anirahako azy, ary hamely ny olona izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy, mba hamabo sy handroba ka hanitsakitsaka azy tahaka ny fotaka eny an-dalambe. Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izay no heverin’ny fony; fa ny handringana no ao am-pony, hamongotra firenena maro. Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governora ambany fahefako ireny? Tsy tahaka an’i Karkemisy va i Kalno? Tsy tahaka an’i Arpada va i Hamata? Ary tsy tahaka an’i Damaskosy va i Samaria? Tahaka ny nahatraran’ny tanako ny fanjakan’ny andriamanitra tsy izy na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema sy ny an’i Samaria aza ny sarin-javatra voasokitra ao aminy, moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa? Kanefa rehefa vitan’ny Tompo ny asany rehetra ao amin’ny tendrombohitra Ziona sy i Jerosalema dia hovaliako kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ny fon’ny mpanjakan’i Asiria sy ny fireharehan’ny masony miandranandrana. Satria hoy izy: Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany, tamin’ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho; nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho sady namabo ny harenany, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no nanonganako ny mpanapaka. Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra: Tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka. Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo! Koa izany no handefasan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, fahiazana amin’ny tremalahiny. Ary ao ambanin’ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo. Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny amin’ny indray andro monja; ary holevoniny tanteraka ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra. Ho tahaka ny fitofezaky ny marary mafy izany. Ho vitsy ny hazo sisa any an’alany ka na zazakely aza dia hahasoratra ny isany. Amin’izany andro izany, ny Israely sisa izay tsy ringana amin’ny taranak’i Jakoba, dia tsy hiankina amin’izay namely azy intsony; fa NY TOMPO, Iray Masin’ny Israely, ihany no hiankinany marina tokoa. Ary izay sisa amin’i Jakoba dia hiverina ho amin’Andriamanitra mahery. Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Israely olonao dia izay sisa aminy ihany no hiverina. Efa tapa-kevitra ny handringana ny Tompo ka hampihatra ny famaliana marina. Eny, tapaka fa haringan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ny tany manontolo. Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta. Nefa kely sisa dia hitsahatra ny fahavinirana, ary handringana azy kosa ny fahatezerana. Eny, hamely azy amin’ny karavasy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tahaka ny namelezana ny Midianita teo amin’ny vatolampy Oreba; ary haingainy eny ambonin’ny ranomasina ny tsorakazony, tahaka ny nataony tamin’ny Ejipta. Ary amin’izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany, ho afaka amin’ny vozonao ny bao fitondrana entany, ho simba ny bao fitondrana entany noho ny fihatavezanao. Injao, tonga any Aiata izy, mamakivaky an’i Migrona ary mametraka ny entany ao Mikmasy. Mandalo ao an-kadilanana izy. Ao Geba isika no handry! Hoy izy. Mangovitra i Rama, mandositra i Gibean’i Saoly. Mikiakiaha mafy, ry Bata-Galima! Mampandria sofina, ry Laisy! Indrisy, ry Anatota mahantra! Lasa mandositra i Madmena, mitady fierena ny mponina any Gebima. Mbola mijanona any Noba izy anio ary manofahofa ny tanany manambana ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, dia ny havoanan’i Jerosalema. Indro, manapaka ny rantsany madinika amin-kery lehibe NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Izay mijoalajoala no voakapa ary izay tena avo no aetry; Kapainy amin’ny vy ny ala mikirindro ary i Libanona dia alamaky ny Iray Mahery. Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, hisy mitrebona avy eo aminy. Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO. Ho hanitra ankasitrahana Aminy ny fahatahorana NY TOMPO ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampanaiky araka ny ren’ny sofiny. Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika ary homeny rariny ny mahantra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy. Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehikibony. Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy. Hiara-komana ny ombivavy sy ny bera, hiara-mandry ny zanany, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona. Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono. Tsy hisy handratra, ary tsy hisy hanimba manerana ny tendrombohitro masina; fa ho henika ny fahalalana NY TOMPO ny tany, tahaka ny anaronan’ny rano ny ranomasina. Amin’izany andro izany, ny Solofon’i Jese, izay hijoro toy ny faneva ho an’ny firenena hafa, dia hotadiavin’ny Jentilisa, ary ho feno voninahitra ny toeram-pitsaharany. Amin’izany andro izany dia mbola hanatsotra ny tanany fanindroany ny Tompo mba hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Asiria sy Ejipta, Patrosa sy Kosy, Elama, Sinara sy Hamata ary ny avy any amin’ny nosy an-dranomasina. Dia hanangana faneva ho an’ny Jentilisa Izy ka hamory ny Israely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely avy any amin’ny vazan-tany efatra. Hitsahatra ny fialonan’i Efraima ary hofongorana ny mpandrafy an’i Joda; tsy hialona an’i Joda intsony i Efraima ary tsy handrafy an’i Efraima intsony i Joda. Fa hipaoka ny havoanan’ny Filistina any andrefana ireo sady hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; amin’i Edoma sy Moaba no hanaingany ny tanany ary hanoa azy ny taranak’i Amona. Hataon’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, hanainga ny tanany amin’ny ony Eofrata Izy ka hamely azy amin’ny rivony mahamay; hokapohiny io dia hanjary sakeli-drano fito ary ho tafita amin’izany ny olona tsy miala kapa. Hisy lalana voavoatra halehan’ny olony sisa, izay ho sisa avy any Asiria, toy ny ho an’ny Israely tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta. Ary hiteny ianao amin’izany andro izany hoe: Hidera Anao aho TOMPO ô; fa na dia tezitra tamiko aza Ianao dia afaka ihany ny fahatezeranao ka mampionona ahy Ianao. Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy. Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena. Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo hoe: Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany! Mankalazà NY TOMPO, fa asa lehibe no nataony. Aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany! Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona! Fa lehibe eo afovoanao ny Iray Masin’ny Israely! Ny loza hanjo an’i Babilona araka ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza. Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ireo olo-manankaja! Efa nandidy ireo nohamasiniko Aho sady niantso ny lehilahy mahery fo; dia ireo mibitaka sy mirehareha mba hahatanteraka ny fahatezerako. Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady. Avy any amin’ny tany lavitra izy ireo, avy any amin’ny faravodilanitra; NY TOMPO sy ireo fitaovam-piadian’ny fahatezerany no avy handrava ny tany rehetra. Midradradradrà ianareo fa antomotra ny Andron’NY TOMPO; tahaka ny fandravan’ny Tsitoha no fiaviny. Noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ny olona rehetra; Ho toran-kovitra izy; fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy; hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; toy ny nodorana afo ny tarehiny. Indro, avy ny Andron’NY TOMPO; andron’ny loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana mba hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao. Fa ny kintan’ny lanitra sy ireo Telonohorefy aza dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony, ny masoandro dia ho maizina amin’ny fiposahany ary ny volana dia tsy hangarangarana. Hatsingeriko amin’izao tontolo izao ny faharatsiany, ary amin’ny ratsy fanahy ny helony; hatsahatro ny fireharehan’ny mpiavonavona ary haetriko ny fiavonavonan’ny mpampihorohoro. Hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny tena volamena tsy miharo ny olombelona; eny, mihoatra noho ny volamena tsy miharo avy any Ofira aza. Noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary hihovotrovotra any amin’ny fanorenany ny tany, noho ny fahatezeran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy noho ny andro firehetan’ny fahatezerany. Dia ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, ary ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpamory ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy izy; eny, samy handositra ho any amin’ny taniny avy izy; holefonina izay rehetra azo ary ho lavon’ny sabatra izay rehetra tratra. Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika; hobaboina ny tranony ary hisy hanolana ny vadiny. Indro, hampirisihiko hamely azy ny Mediana izay tsy miraharaha ny volafotsy sady tsy mankamamy ny volamena. Handripaka ny zatovo ny tsipìkany ary tsy hamindrany fo izay ateraky ny kibo; eny, tsy hiantran’ny masony na dia ny zaza aza. I Babilona izay ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora; Tsy honenana intsony izy, ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy hisy mpifindrafindra monina hanorin-day ao, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny; fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao, ho feno vorondolo ny tranony; ny aotirisy no hitoetra any ary ny osilahy no hitsambikimbikina any. Ny kary no hifampierona ao an-tranobeny ary ny amboadia no ho ao amin’ny lapa mirentirenty. Efa antomotra ny fotoanany ary tsy hatao ela intsony ny androny. Fa NY TOMPO hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Israely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; hikambana aminy ny vahiny ary hiombona amin’ny taranak’i Jakoba izy. Hisy olona maro haka azy ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’Israely dia hanana azy ho mpanompolahy sy mpanompovavy ao amin’ny tanin’NY TOMPO. Ho tonga mpamabo ireo izay namabo azy izy, ary hampanompo izay nampahory azy. Koa amin’ny andro hanomezan’NY TOMPO fitsaharana anao ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao dia hambaranao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babilona izao hoe: Akory izay! Nitsahatra ilay mpampahory! Tsy ao intsony ilay mpampijaly! NY TOMPO efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy, dia ny tehim-pahefan’ny mpanapaka izay namely firenena tamin-katezerana, tamin’ny kapoka tsy nanam-pitsaharana sady nampanompo firenena tamin’ny fahavinirana, tamin’ny fanenjehana tsy misy antra. Miadana ka mandry fehizay ny tany manontolo; velominy ao ny hoby. Eny, ny hazo kipreso sy ny sedera any Libanona dia hifaly ny aminao hoe: Hatrizay nahalavo anao izay dia tsy misy mpikapa hazo miakatra atỳ aminay intsony. Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty any ambany mba hitsena anao amin’ny fiavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny; atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra. Dia samy hiteny aminao izy rehetra hoe: Hay ianao koa mba osa tahaka anay, efa tonga tahaka anay ianao! Navarina ho atỳ amin’ny fitoeran’ny maty ny tabiha sy reharehanao mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. Endre! Nilatsaka avy tany an-danitra ianao, ry kintana fitarikandro, zanaky ny maraina! Voakapa hianjera amin’ny tany ianao, ry ilay mpampanaiky firenena! Niteny anakampo ianao hoe: Hiakatra any an-danitra aho, ary hasandratro ho ambonin’ny kintan’Andriamanitra ny sezafiandrianako; dia hipetraka eo amin’ny tendrombohitra Fihaonana any amin’ny farany avaratra aho; hiakatra ho any ambonin’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra. Kanjo hampidinina hatrany amin’ny fitoeran’ny maty ianao, ho any am-parany lalina amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Hibanjina anao izay mahita anao ka hihevitra anao hoe: Moa ity va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana ary nanao izao tontolo izao ho tany efitra sy nandrava ny tanànany ary tsy nandefa ny mpifatotra hody? Ny mpanjakan’ny firenena rehetra dia samy mandry amin’ny voninahitra avokoa, samy ao am-pasany avy. Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin’ny fatin’ny voavono, dia ireo voatrabaky ny sabatra ka nampidinina ho ao amin’ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin’ny tongotra. Tsy halevina miaraka amin’ireny ianao satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy! Omàny ny famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany! Aoka izy tsy hitsangana haka ny tany indray ka hanorina tanàna manerana an’izao tontolo izao. Fa hitsangana hamely azy Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Hofoanako ny anaran’i Babilona sy izay sisa ao mbamin’ny zanany sy ny taranany, hoy NY TOMPO. Hataoko fonenan’ny sokina sy ho honahona izy ary hofafako amin’ny kifafa fandringanana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Nianiana Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy: Hanorotoro ny Asiriana ao amin’ny taniko Aho ary hanitsakitsaka azy eny amin’ny tendrombohitro; ny ziogany dia hesorina amin’ireo ary ny entany dia ho afaka amin’ny sorony. Izany no fikasana ny amin’ny tany rehetra ary izany no tanana miainga hamely ny firenena rehetra. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no efa nikasa, koa iza indray no hahafoana izany? Miainga ny tanany ka iza no hampihemotra izany? Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao: Aza mifaly, ry tanin’ny Filistina manontolo, satria hoe tapaka ny tsorakazo namely anao! Fa avy ao an-kibon’ny bibilava no hiavian’ny menarana, ary ny aterany dia ho tonga dragona manidina. Dia mba hihinana ny fadiranovana indrindra, ary handry fehizay ny mahantra; fa hataoko maty mosary kosa izay sisa tavela aminao; eny, hovonoina ho faty izay tavela aminao. Midradradradrà, ry vavahady! Mitolokoa, ry tanàna! Aoka ho ketraka ianao ry tanin’ny Filistina manontolo! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra ary tsy misy miala amin’ny laharany akory ny miaramilany. Inona moa no havaly ny irak’io firenena io? Izao: NY TOMPO efa nanorina an’i Ziona, ary ao no hialofan’izay olony ory. Ny loza hanjo an’i Moaba. Indray alina no nandravana azy! Fongotra i Ara-Moaba. Eny, indray alina no nandravana azy! Fongotra i Kira-Moaba. Miakatra ho ao Baita sy ho ao Dibona ny olona, ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mba hitomany; i Moaba dia midradradradra any amin’i Nebo sy i Medeba; nokakasana ny loha rehetra; voaharatra ny somotra rehetra. Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana ny olona; eny an- tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy ireo sady mijoy ny ranomasony. Mitoreo i Hesbona sy i Elale ka re hatrany Jahaza ny feony; noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’i Moaba, mihorohoro izy ireo. Mitoloko ny foko noho ny amin’i Moaba; tonga hatrany Zoara sy Eglata-Selisia ny olona mandositra avy ao. Fa miakatra am-pitomaniana ao amin’ny fiakarana Lohita izy, sady midradradradra amim-pamoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima; fa ny ranon’i Nimrima dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zavamaniry ka tsy misy zava-maitso intsony. Noho izany dia entiny ho any ampitan’ny lohasahan-driakan’ny hazomalahelo ny harena be izay nohariny sy ny entany izay mbola voatahiriny. Fa manerana ny faritanin’i Moaba ny tolokony; re hatrany Eglaima ny fidradradradrany; eny, re hatrany Bera-Elima ny toreony. Feno ra ny ranon’i Dimona; eny, mbola hampiako ny loza manjo an’i Dimona: Hisy liona handrapaka izay afa-mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ny tany. Anatero zanak’ondry ny mpanapaka amin’ny tany, hatreo Sela ka manerana ny tany efitra hatrany amin’ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy. Tahaka ny vorona notairina niala tamin’ny akaniny ka mirenireny foana, ho toy izany ny zanakavavin’i Moaba ao amin’ny fitàna any Arnona. Manolora saina, mandraisa fanapahan-kevitra, ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ny andro mitataovovonana aza; afeno izay voaroaka ary aza aseho izay mandositra! Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka, ry Moaba! Aoka ho fiereny ianao mba tsy ho azon’ny mpandringana azy izy! Fa tsy misy intsony ny mpampahory; tapitra ny loza, tsy misy amin’ny tany intsony ny mpanosihosy. Ary hisy sezafiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo. Hisy hipetraka amin’ny fahamarinana eo aminy ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy sady ho haingam-pamoaka fitsarana marina. Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba; fatra-piavonavona loatra izy, mirehareha sy miavonavona, manao vava tafahoatra ary miteniteny foana. Noho izany dia hidradradradra amin’i Moaba i Moaba; eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; hitomany ny faharavan’i Kira-Hareseta ianareo ka ho ory indrindra. Fa malazo ny sahan’i Hesbona; norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma izay tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-tany efitra; nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina. Koa izany no hitomaniako ny voalobok’i Sibma, toy ny fitomanian’i Jazera, handena anao amin’ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale, satria eo amin’ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao dia tsy misy ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka. Tsy ahitana ny hafaliana sy ny haravoravoana any amin’ny sahan-kazo fihinam-boa; tsy misy hoby na horakoraka ao amin’ny tanim-boaloboka! Tsy hanosihosy divay ao amin’ny famiazana intsony ny mpanosihosy; efa natsahatro ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka. Noho izany dia mitaraina manao feon-dokanga ny ato anatiko noho ny amin’i Moaba ary malahelo ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa. Miseho i Moaba, sasatra ao amin’ny toerana fanaovana sorona izy. Mankao amin’ny fitoerany masina izy mba hivavaka nefa tsy mahazo na inona na inona. Izany no tenin’NY TOMPO nataony fahiny ny amin’i Moaba. Ankehitriny kosa dia hoy NY TOMPO hoe: Raha afaka telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba. Na dia betsaka aza ny vahoakany dia ho vitsy sisa; eny, ho vitsy foana ka tsy misy lanjany. Ny loza hanjo an’i Damaskosy. Indro, rava tsy ho tanàna intsony i Damaskosy; eny, tonga korontam-bato izy sisa. Lao ny tanànan’i Aroera ka ho an’ny andian’ny ondry aman’osy; handry ao ireo ka tsy hisy hanaitaitra azy. Tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy na izay sisa amin’i Arama. Hitovy voninahitra amin’ny Zanak’Israely izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Amin’izany andro izany dia hihena ny voninahitr’i Jakoba ary ho lasa ny hataviny. Ho tahaka ny fanangon’ny olona ny vary an-tahony amin’ny fararano izany ka jinjain’ny sandriny ny salohim-bary; eny, ho tahaka ny fanangon’ny olona salohim-bary eny amin’ny lohasahan’ny Refaìta. Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy, tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva, hisy voany roa na telo eny an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra, hoy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Amin’izany andro izany dia hitodika amin’ny Mpanao azy ny olona, ary hijery ny Iray Masin’ny Israely ny masony. Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro. Amin’izany andro izany ny tanànany mafy dia ho tahaka ny tany lao any an’ala na any an-tampon-tendrombohitra, izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Israely, ka ho foana tanteraka ny tany. Satria nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao, dia tsy nahatsiaro ny Vatolampy fiarovana mafy ho anao. Noho izany dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-kazo avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo; tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo izy, ary nony maraina dia nitsimoka ilay nambolenao. Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andron’ny fahoriana ary tsy ho azo sitranina ny fanaintainana. Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina; ny firohondrohon’ny olona marobe tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja! Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny ranobe ny firenena kanefa hotezerana mafy izy ka handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio. Raha hariva ny andro dia injao, fampihorohoroana; kanefa raha tsy mbola maraina akory aza dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’izay mamabo antsika sy tambin’izay mandroba antsika. Loza! Ry tany alokalofan’ny elatra, izay any andafin’ny onin’i Kosy, izay mandefa iraka eny ambonin’ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ny rano ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka haingam-pandeha, ho any amin’ny firenena misy olona lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ny olona mahatahotra hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, dia ny firenena matanjaka be sady mahery setra, izay vakivakin’ny ony maro ny taniny. Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao, ry mpitoetra etỳ ambonin’ny tany, mijere ianareo rehefa misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra; ary rehefa misy anjomara tsofina dia mihainoa. Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ny fitoerako, tahaka ny hafanan’ny masoandro mipoaka, tahaka ny ranonando amin’ny hafanan’ny fararano. Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, rehefa tonga voa ny voniny, dia horantsanany amin’ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny. Dia hafoy avokoa izy ka ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza dia handany ny fahavaratra any ary ny bibidia rehetra ambonin’ny tany dia handany ny ririnina any. Amin’izany andro izany dia hisy fanomezana hoentina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, avy amin’ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, firenena mahatahotra hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, firenena matanjaka be sady mahery setra, izay vakivakin’ny ony maro ny taniny, ho ao amin’ny fitoeran’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia ny tendrombohitra Ziona. Ny amin’ny loza hanjo an’i Ejipta: Indro NY TOMPO mitaingina rahona miriotra mafy ka tonga any Ejipta. Mangorohoro eo anatrehany ny andriamanitra tsy izy any Ejipta, ary ketraka ny fon’i Ejipta. Hampirisihiko hiady izy samy Ejiptiana: Samy hiady amin’ny rahalahiny sy amin’ny namany avy izy; ny tanàna dia hiady amin’ny tanàna ary ny fanjakana dia hiady amin’ny fanjakana. Ho very hevitra ny Ejiptiana; eny, hofoanako ny fikasany; hila saina amin’ny andriamanitra tsy izy sy amin’ny mpiantso ny fanahin’ny maty ary amin’ny mpanandro izy. Hatolotro hogiazana amin’izay fitondrana mafy i Ejipta ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao. Ho tankina ny rano amin’ny ranomasina, ho ritra ny ony ka ho maina; ho maimbo ny sampantsampan’ny ony; hihena ny lakandranon’i Ejipta ka ho maina; halazo ny volotara sy ny zozoro; ho ngazana ny moron’i Neily sy ny vavaranon’i Neily, ho maina izay nafafy teny amoron’i Neily ka tsy ho eny intsony fa hopaohin’ny rivotra. Dia hitoloko ny mpaka hazandrano ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily; ho reraka ny mpamelatra harato amin’ny rano. Ho menatra izay mandraotra tahon-drongony, dia ny mpandraotra sy ny mpanenona lamba fotsy. Ho torotoro ny andrin’ny tany ary halahelo ny mpikarama rehetra. Tena adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; hevi-poana no avoakan’ireo izay hendry indrindra amin’ny mpanolotsainan’i Farao. Ahoana no ilazanareo amin’i Farao hoe: Zanak’olon-kendry aho sady taranak’ireo mpanjaka tamin’ny fahagola? Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy ary aoka ho fantany izay nokasain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hatao amin’i Ejipta! Adala ny mpanapaka any Zoana, voafitaka ny mpanapaka any Nofa, ary nampivembena an’i Ejipta ireo fehizoron’ny fireneny; NY TOMPO efa nandrotsaka fanahy mampandraingiraingy tao Ejipta ka nampivembena azy tamin’ny asany rehetra nataony, tahaka ny olona mamo mivembena sady mandoa. Tsy misy manao na inona na inona intsony ny Ejiptiana, na ny loha na ny rambo, na ny palma na ny zozoro. Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy i Ejipta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny fanaingan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny tanany, izay aingainy hamelezany azy. Ary ho tahotr’i Ejipta ny tanin’i Joda, koa na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hamelezana azy. Amin’izany andro izany dia hisy tanàna dimy amin’ny tany Ejipta samy hiteny ny fitenin’i Kanana sy hianiana fa ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ny iray amin’ireny dia hatao hoe Ira-Haresa. Amin’izany andro izany dia hisy alitara ho an’NY TOMPO eo amin’ny tany Ejipta ary tsangambato ho Azy eo amin’ny sisintaniny. Ho famantarana sy vavolombelona ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ao amin’ny tany Ejipta ireo; raha mitaraina amin’NY TOMPO noho ny mpampahory izy dia haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. Hanao izay hahafantaran’ny Ejiptiana Azy NY TOMPO, ary hahalala NY TOMPO kosa ny Ejiptiana amin’izany andro izany; dia hanompo Azy amin’ny fanatitra alatsa-dra sy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy ka hivoady amin’NY TOMPO sady hanefa ny voadiny. Eny, raha mamely ny Ejiptiana NY TOMPO dia sady hamely Izy no hanasitrana; dia hiverina ho any amin’NY TOMPO ireo ka hekeny ny fangatahany ary hositraniny izy. Amin’izany andro izany dia hisy lalambe avy any Ejipta mankany Asiria, koa ny Asiriana dia hankany Ejipta, ary ny Ejiptiana kosa dia hankany Asiria, ary hiara-manompo ny Ejiptiana sy ny Asiriana. Amin’izany andro izany dia ho fahatelo aorianan’i Ejipta sy Asiria ny Israely, ho fitahiana eo amin’ny tany; satria hotahin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Ejipta oloko, sy Asiria asan’ny tanako, ary Israely lovako! Tamin’ny taona nahatongavan’ny lehiben’ny tafika tany Asdoda, raha nirahin’i Sargona mpanjakan’i Asiria izy, dia namely an’i Asdoda izy ka nahazo azy. Tamin’izany andro izany no nampitondran’NY TOMPO teny an’Isaia, zanak’i Amoza hoe: Andeha, borahy ho afaka eny an-tsikinanao ny akanjo fisaonana, ary esory hiala amin’ny tongotrao ny kiraronao. Dia nanatanteraka izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro. Ary hoy NY TOMPO: Tahaka ny nandehanan’Isaia mpanompoko nandritra ny telo taona, sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho fambara sy ho fahagagana ny amin’i Ejipta sy i Kosy, dia ho toy izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny Ejiptiana ho babo, sy ny Kosita ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’i Ejipta. Ary ho raiki-tahotra sy hitsanga-menatra ny Israely noho ny amin’i Kosy fanantenany sy i Ejipta reharehany. Amin’izany andro izany dia hiteny ny mponina etỳ amoron-dranomasina hoe: E, ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asiria! Aiza intsony re no handosirantsika? Ny amin’ny loza hanjo ny tany efitra amoron’ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any Negeva no fiaviny avy any an-tany efitra, avy any amin’ny tany mahatahotra. Misy fahitana mampahory aseho amiko: Mamitaka ny mpamitaka ary mandringana ny mpandringana. Iakaro, ry Elama ô! Ataovy fahirano, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra. Ary raha nahita izany aho dia feno fanaintainana ny andilako; fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ny vehivavy raha miteraka; niolanolana fatratra aho ka tsy nandre; toran-kovitra aho ka tsy nahita. Niemponempona ny foko, horohoro no nahazo ahy; navadiny ho fangovitana ny hariva niriko ho avy. Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona. Mitsangàna ianareo lehibe! Hosory diloilo ny ampinga! Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Mandehana, manendre mpitily, koa izay hitany no aoka holazainy. Dia nahita izy ka indreo kalesy fitondra miady, soavaly mandeha tsiroaroa sy boriky betsaka ary rameva betsaka; dia nihaino izy; eny, nihaino tsara; Dia niantso mafy nanao feon-diona izy hoe: Tompo ô! Mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako aho amin’ny antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina. Koa indro, avy ny kalesy fitondra miady miaraka amin’olona; soavaly mandeha tsiroaroa! Ary hoy izy hoe: Rava, rava i Babilona! Ary ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany! Ianareo izay voavely toy ny vary teo am-pamoloako! Izay efa reko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no nambarako taminareo. Ny amin’ny loza hanjo an’i Edoma. Misy miantsoantso ahy any Seìra hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina. Raha mbola ta hanontany ianareo dia manontania ihany! Dia miverena indray; eny, miverena! Ny loza hanjo an’i Arabia. Any anaty kirihitrala any Arabia no handrianareo, ry andian’ny Dedanita! Itondray rano ny mangetaheta; itondray mofo mitsena ireo olona mandositra, ry mponina amin’ny tany Tema. Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Ato anatin’ny herintaona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara. Ho vitsy foana sisa ny tsipìka izay an’ny lehilahy mahery, taranak’i Kedara; fa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa niteny. Ny loza hanjo ny Lohasahan’ny Fahitana. Nahoana re ianao no niakatra niaraka tamin’ny olonao rehetra ho eny an- tampon-trano, ry tanàna be horakoraka sy be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ady. Miara-mandositra ny mpitondra anao; afatotry ny mpandefa zana-tsipìka izy. Izay olona rehetra hita tao aminao dia niaraka azo babo, na dia nitady handositra lavitra aza. Koa izany no ilazako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomanin’alahelo aho; aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko, zanakavavy. Fa misy andron’ny horohoro sy fanosihosena ary fahaverezan-kevitra avy amin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ao amin’ny Lohasahan’ny Fahitana: Rava ny manda, ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy. Mitondra ny tranon-jana-tsipìka i Elama, manatona ny kalesy fitondra miady misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Manaisotra ny fonon’ampinga i Kira. Feno kalesy fitondra miady ny lohasahanao tsara indrindra, milahatra eo am-bavahady ny mpitaingin-tsoavaly, ary alany ny fisalobonan’i Joda. Amin’izany andro izany dia mijery ny fiadiana ao amin’ny Tranon’ny Ala ianao. Hitanareo fa maro ny banga amin’ny Tanànan’i Davida; mamory ny rano avy amin’ny kamory ambany ianareo; isainareo ny trano any Jerosalema, ary ravanareo ny trano mba hanamafisanareo ny manda. Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo halehan’ny rano avy amin’ny lavaka famorian-drano taloha. Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay namolavola azy hatry ny ela. Amin’izany andro izany dia hiantso NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hiantso fitomaniana sy fitolokoana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana; kanjo e izato hafaliana sy haravoravoana! Vonoina ny omby sy ondry aman’osy. Hanina ny hena ary sotroina ny divay: Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty! Dia nambaran’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, teo an-tsofiko izao: Tsy hisy fanavotana ho an’izao helokareo izao ambara-pahafatinareo, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao. Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Andeha mankao amin’io mpiandraiki-draharaha io, dia i Sebna, lehiben’ny ao an-dapa, ka lazao hoe: Inona no ataonao atỳ, ary iza no havanao etỳ, no manao fasana etỳ ianao? Mandavaka ny fasanao eny an-kavoana ianao sy manamboatra fonenana ho anao etỳ amin’ny harambato! Indro NY TOMPO hanipy anao lavitra; eny, hogiazany mafy ianao, dia hakodiany toy ny kodiarana ho any amin’ny tany malalaka; any no hahafaty anao ary ho any koa ireo kalesy fitondranao miady feno voninahitra, ry ilay henatry ny fianakavian’ny tomponao! Horoahiko hiala amin’ny toeranao ianao, haongako hiala amin’ny raharahanao ianao Amin’izany andro izany dia hantsoiko kosa i Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia; hampanaoviko azy ny akanjonao sady hosikinako amin’ny fehikibonao izy ka hatolotro ho eo an-tanany ny fahefanao; dia ho tonga rain’ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’i Joda izy. Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida, dia hamoha izy ka tsy hisy handrindrina; ary handrindrina izy ka tsy hisy hahavoha. Hatsatoko toy ny fanantonan-javatra eo amin’ny toerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy. Hahantona eo aminy ny voninahitry ny fianakavian-drainy rehetra, dia ny sampany sy ny rantsany rehetra, ny fanaka madinika rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samihafa rehetra. Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hesorina ilay fanantonan-javatra voatsatoka teo amin’ny toerana mafy; eny, hokapaina izany ka hianjera; dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; fa NY TOMPO no niteny. Ny loza hanjo an’i Tiro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava izy! Tsy misy trano intsony! Tsy misy fidirana intsony! Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambaràna izany taminy. Mangìna ianareo mponina amin’ny nosy izay efa nofenoin’ny mpivaro-mandeha avy any Sidona harena tamin’ny fitetezany ranomasina! Teny amin’ny ranobe ny varin’i Sihora, dia ny vokatr’i Neily ka nampiditra harena ho azy izy; ary tonga tsenan’ny firenena izy. Aoka ho menatra ianao, ry Sidona! Fa hoy ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina hoe: Tsy nihetsi-jaza aho, tsy niteraka aho, tsy nitaiza zatovo aho na namelona virijiny. Rehefa re tany Ejipta izany dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tiro. Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina any amoron-tsiraka. Ity va ilay tanànanareo niravoravo? Hatry ny fahagola no efa niorenany sady noentin’ny tongony hivahiny lavitra izy. Iza no nikasa izany mba hamelezana an’i Tiro, ilay mpanome satroboninahitra, nefa ny mpivaro-mandeha tao aminy dia mpanapaka, ary olona fanta-daza ny mpivarotra ao aminy. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonany noho ny hatsaran-tarehy rehetra, sy hanalany ny voninahitr’izay rehetra ankalazaina amin’ny tany. Aoka hiely manerana ny taninao tahaka an’i Neily ianao, ry Tarsisy zanakavavy, fa tsy misy intsony ny zioga! Natsotrany teo ambonin’ny ranomasina ny tanan’NY TOMPO; nampihorohoroiny ny fanjakana; NY TOMPO efa nandidy ny amin’i Kanana mba handravana ireo mandany mafy orina. Hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry Sidona zanakavavy, virijiny afa-baraka! Miaingà ianao ka mità ho any Kitima! Kanefa na dia any aza dia tsy hahita fitsaharana akory ianao. Indro ny tanin’ny Kaldeana, izay tsy firenena akory fahiny; fa ny Asiriana no nanorina azy ho an’ny mponina any an-tany efitra; manangana tilikambo fiambenana izy ary mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ka mampody azy ho korontam-bato. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava ny mandanareo! Amin’izany andro izany dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, toy ny andron’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona dia hiharan’ilay tononkalo momba ny vehivavy janga i Tiro hoe: Makà lokanga ka miveziveze manerana ny tanàna ianao, ry Ikala janga hadino! Mitendre tsara ka mahereza mihira mba hahatsiarovana anao! Rehefa afaka fitopolo taona dia hamangy an’i Tiro NY TOMPO ka hiverina amin’ny filan-karama maloto izy sady hijangajanga amin’ny fanjakana rehetra etỳ ambonin’ny tany. Ary ny tombom-barony sy ny karama maloto azony dia hohamasinina ho an’NY TOMPO; tsy hotahirizina na horaketina izany fa ny tombom-barony dia ho an’izay mitoetra eo anatrehan’NY TOMPO, ho hani-mahavoky sy ho fitafiana mirenty. Indro NY TOMPO manafoana ny tany ka mahalao azy, mampihohoka azy Izy ka mampiely ny mponina ao aminy. Ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampitrosa sy ny mpitrosa. Ho foana tanteraka ny tany, tena horobaina manontolo izy, fa NY TOMPO no efa miteny izany. Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika ny olona ambony amin’ny tany. Novetavetain’ny mponina ao aminy ny tany satria nandika ny lalàna izy sady nanodinkodina ny didy ary nivadika tamin’ny Fanekena mandrakizay. Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany ary hilanja ny valin-kelony ny mponina ao aminy; voadoro ny mponina amin’ny tany ka olona vitsy foana no sisa ao. Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny foto-boaloboka; misento avokoa ireo izay nifaly am-po; Mitsahatra ny firavoravoana amin’ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ireo niravoravo; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga; Tsy misy mihira eo am-pisotroan-divay intsony, mangidy amin’izay misotro azy ny toaka. Rava ilay tanàna be fikorontanana. Mirindrina ny trano rehetra ka tsy azon’olona idirana; Misy fitarainana eny an-tsaha satria tsy misy ny divay, nihamaizina ny fifaliana rehetra, voaroaka ny firavoravoan’ny tany. Fahafoanana no hany sisa ao an-tanàna ary rava sady montsamontsana ny vavahady. Fa ao anivon’ny tany, ao amin’ny olona, dia hisy toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva sy fitsimpontsimponam-boaloboka rehefa tapitra ny andro fiotazana azy. Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; noho ny fahalehibiazan’NY TOMPO dia hiantso mafy eny amin’ny ranomasina izy ireo! Mankalaza NY TOMPO any amin’ny fiposahan’ny mazava izy, dia ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, any amin’ny nosy any an-dranomasina! Hatrany am-paran’ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ny marina! Fa hoy kosa aho: Levona aho! Levona aho! Lozako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka tokoa! Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany! Izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; izay miakatra avy ao anatin’ny lavaka dia ho voarain’ny fandrika; fa misy varavarana mivoha any amin’ny avo, ary mihovotrovotra ny fanorenan’ny tany. Mivava ny tany, mitresaka ny tany, mihovotrovotra aoka izany ny tany, mivembena dia mivembena tahaka ny olona mamo ny tany, mihevaheva toy ny trano fialofana mihantona, mitambesatra aminy ny fahadisoany ka potraka izy ary tsy ho tafarina intsony. Amin’izany andro izany dia any ambony no hamalian’NY TOMPO ny tafiky ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ny tany. Dia hangonina tahaka ny mpifatotra ao an-davaka izy ireo ka hohidina any an-tranomaizina. Ary rehefa afaka andro maro dia hampamoahina izy. Dia hivoaramena ny volana ary hivaloarika ny masoandro, satria Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona, any Jerosalema, ary misy voninahitra eo anatrehan’ny loholony. TOMPO ô, Andriamanitro Ianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa nahavita zava-mahagaga Ianao, zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady azo antoka no mafy orina. Fa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ilay tanàna mimanda dia tena rava tanteraka; ny lapan’ny hafa firenena dia tsy hita tao an-tanàna intsony; tsy hatsangana mandrakizay intsony ireo. Noho izany dia hankalaza Anao ny firenena matanjaka, hatahotra Anao ny tanànan’ny firenena mpampihorohoro. Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Ianao; eny, fiarovana mafy ho an’ny mahantra ao amin’ny fahoriany, fialofana amin’ny oram-batravatra, alokaloka amin’ny hainandro; fa ny fahatezeran’ny mpampihorohoro dia tahaka ny orana mivatravatra mamely ny rindrina. Tahaka ny fandresenao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ny firenena hafa; eny, tahaka ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ny mpampihorohoro. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity; fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, hena matavy, be tsoka, divay efa niotrika ela, voadio tsara. Eto amin’ity tendrombohitra ity no hanafoanany ny sarona izay manakona ny olona rehetra sy ny rakotra izay mandrakotra ny firenena rehetra; hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; NY TOMPO Andriamanitra no hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra ny fahafaham-baraka amin’ny olony. NY TOMPO no niteny. Holazaina amin’izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika izay nantenaintsika hamonjy antsika. Indro NY TOMPO izay nandrasantsika, koa aoka isika hifaly sady hiravoravo amin’ny famonjeny! Fa mipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanan’NY TOMPO; ary hohosihosena ao amin’izay misy azy i Moaba, tahaka ny fanosihosy ny mololo miavosa amin’ny rano ao am-pahitra; hamelatra ny tanany ao anatin’izany izy, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; fa NY TOMPO kosa mampietry ny fiavonavonany sy ny fahamailamailaky ny tanany. Harodany sy haetriny ny mandanao mafy sy avo ka hataony mikasika amin’ny tany sy mihosom-bovoka. Amin’izany andro izany dia hohiraina eto amin’ny tanin’i Joda izao hira izao: Manana tanàna mafy isika; famonjena no napetraky NY TOMPO ho manda sy fiarovana. Vohay ny vavahady mba hidiran’ny firenena marina izay mitana ny fahamarinana. Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia NY TOMPO mandrakizay, fa NY TOMPO, NY TOMPO no Vatolampy mandrakizay. Naetriny ny olona avo toerana; ny tanàna avo dia arodany; eny, arodany ho amin’ny tany ka ataony mihosom-bovoka. Hitsahin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra. Mahitsy ny lalan’ny marina; eny, Ianao izay mahitsy no manamora ny alehan’ny marina. Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra. Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao. Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy dia tsy mety mianatra fahamarinana; eny, mbola manao meloka ihany izy na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’NY TOMPO. TOMPO ô, avo ny tananao ka tsy jeren’ireo; Tsy maintsy ho jereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ny olonao ka ho menatra izy; eny, afo no handevona ny fahavalonao. TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. TOMPO Andriamanitray ô, tsy Ianao ihany no efa nampanompo anay fa nisy tompo hafa koa; nefa Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao. Ny maty dia tsy ho velona intsony, ny matoatoa dia tsy mba hitsangana; koa novalinao izy ka naringanao, sady nofoananao avokoa ny fahatsiarovana azy! Nampitombo ny firenena Ianao, TOMPO ô! Eny, nampitombo ny firenena Ianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao avokoa ny faritry ny tany. TOMPO ô, nitady Anao izy ireo nony azom-pahoriana; nanao vavaka tora-po izy nony iharan’ny famaizanao. Tahaka ny vehivavy bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, TOMPO ô! Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, nefa tahaka ny nitera-drivotra izahay; tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay, ary tsy niteraka mponina ho an’izao tontolo izao. Ho velona indray ny olonao izay efa maty! Hitsangana ny fatin’ny oloko! Koa mifohaza sy mihobia ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka! Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty. Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efitranonao, ary mirindrìna varavarana ianao; miere kely indray mipy maso monja mandra-pahalasa ny fahatezerana. Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy. Amin’izany andro izany, ny sabatry NY TOMPO, izay mafy sady lehibe no mahery, no hoentiny mamaly ny leviatana, ilay menarana mandositra, ny leviatana, ilay menarana miolikolika, ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina. Amin’izany andro izany no hihiranareo ny amin’ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe: Izaho TOMPO no mpiaro io, isaky ny indray mipy maso no anondrahako azy, fandrao misy manimba azy, dia miambina azy Aho na andro na alina. Tsy misy fahatezerana ato Amiko. Enga anie ka hisy anjavidy sy tsilo eto anatrehako mba hiadiako! Hohitsakitsahiko ireo ka hodorako avokoa! Fa raha tsy izany dia aoka hanao Ahy ho fiarovana mafy kosa izy ka hihavana Amiko; eny, aoka hihavana Amiko izy! Amin’ny andro ho avy dia hiorina tsara i Jakoba; ary hamony sy hitsimoka Israely ka hameno izao tontolo izao amin’ny vokany. Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa? Tamin’ny nandroahana azy, tamin’ny famoahana azy tany ivelany no nitsarana azy; nokororohiny tamin’ny rivony mahery izy tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana. Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany: Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony. Fa hitoka-monina ny tanàna mimanda ka ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny tany efitra; ao no hihinanan’ny zanak’omby sy handriany ary handaniany ny rantsan-kazony. Raha malazo ny rantsany dia hotapatapahina ka ho avy hitaina azy ny vehivavy. Satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy. Amin’izany andro izany dia hahintsan’NY TOMPO hatreo amin’ny ony Eofrata mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ianareo ary samy hotsimponina tsirairay ianareo, ry Zanak’Israely! Amin’izany andro izany dia hotsofina ny anjomara lehibe; dia ho avy izay very tany amin’ny tany Asiria sy izay efa niely tany amin’ny tany Ejipta ka hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO eo amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema. Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaky ny olona mamon-divay. Indro ny Tompo manana izay mahery sy matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; tahaka ny fandriaky ny ranobe manafotra, no hanjerany azy mafy ho amin’ny tany. Dia hohitsahin’ny tongotra ny satroboninahitra izay reharehan’ny mpimamo ao Efraima; ary ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fotoana, alohan’ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mandray, ary raha vao raisiny dia arapany. Amin’izany andro izany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa. Ho fanahy fitsarana ho an’izay mipetraka eo amin’ny fitsarana Izy, sady ho hery ho an’izay mampihemotra ny ady izay tonga eo am-bavahady. Nefa izy ireo dia fanimpanina azon’ny divay, ary mivembena azon’ny toaka; fanimpanina azon’ny toaka ny mpisorona sy ny mpaminany; resin’ny divay ireo, mivembena azon’ny toaka; fanimpanina amin’ny fahitana izy ary miroaroa saina ny amin’ny didim-pitsarana avoakany. Feno loa sy loto ny latabatra rehetra ka tsy misy madio hitoerana intsony. Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hanazavany lesona? Zaza vao nosaraha-nono va? Zaza vao nitsaha-ninono va? Fa didy anampy didy, didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa. Hay, amin’ny molotra miambakavaka sy amin’ny teny vahiny no hitenenany amin’ity firenena ity. Izy ilay nilaza taminy hoe: Izao no fitsaharana! Ampitsaharo ny reraka! Izao no fotoana hialan-tsasatra! Nefa tsy nety nihaino ireo. Ary ho azy ireo, ny tenin’NY TOMPO dia hoe: Didy anampy didy aminy tokoa; eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa, dia ho solafaka izy rehefa mandeha ka ho torotoro sy ho voafandrika ary ho voasambotra. Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry mpaniratsira, ianareo izay mitondra ity firenena eto Jerosalema ity! Satria miteny ianareo hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fitoeran’ny maty; koa na dia ho avy aza ny loza manafotra dia tsy hihatra aminay izany, satria ny lainga no nataonay ho fialofana ary ny fitaka no ho fierena. Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro Izaho no nametraka vato ao Ziona, vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy ka tsy mba ho taitra izay mitoky aminy. Ny fitsarana marina no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana no ho fandrefesana marindrano; hopaohin’ny havandra ny lainga fialofana, ary hindaosin’ny rano ny fierena. Hofoanana ny fifanekenareo amin’ny fahafatesana ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ny fitoeran’ny maty; rehefa ho avy ny loza manafotra dia hohitsakitsahany ianareo. Ary na oviana na oviana no hiaviany dia hahatratra anareo izany; fa isa-maraina no hiaviany, amin’ny andro sy amin’ny alina koa; ary ny vokatry ny fandrenesana izany dia horohoro lehibe. Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ny olona iamparana; ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te hirakotra azy. Fa NY TOMPO hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasahan’i Gibeona Izy mba hanaovany ny asany, dia ny asany mahagaga, mba hahavitany ny ataony, dia ny ataony izay mahatalanjona. Koa aza maniratsira intsony ianareo, fandrao vao mainka ho mafy ny famatorana anareo. Fa fahafonganana no voatendry hamelezana ny tany rehetra; izany no reko tamin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao. Atongilano ny sofinareo ka henoy ny feoko! Tandremo ka mihainoa ny teniko! Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy mandrakariva? Miasa sy mandravona ny taniny mandrakariva va izy? Fa rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’izay va ny voan’ny nigela ary tsy apariakany va ny komina, tsy alahany mitandahatra tsara va ny varimbazaha sy ny varimbazaha hafa amin’ny tany voafaritra ho azy ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny? Andriamaniny no manoro azy izay tokony hataony; eny, Izy no mampianatra azy. Fa tsy ny ragiragy vy no anosihosena ny nigela, ary tsy ny kodiaran’ny sarety no akodiadia amin’ny komina; fa ny nigela dia hosihosena amin’ny tsorakazo, ary ny komina amin’ny tehina. Torotoroina ny vary hatao mofo fa tsy hosena tsy an-kijanona akory izany; raha ampandehanana ny kodiaran’ny sarety sy hosen’ny soavaly izy dia tsy ho torotoro. Izany koa dia avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; fa mahagaga amin’ny fikasany Izy, ary mahatalanjona amin’ny fahendreny! Lozan’i Ariela, dia i Ariela, tanàna nitobian’i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana, dia hampahory an’i Ariela Aho; hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; ary ho tonga fatana alitara tokoa izy Amiko. Hitoby manodidina anao Aho ka hasiako miaramila hanao fahirano anao ary hanangana manda aho mba hamelezana anao. Dia haetry ianao ka hiteny avy ao amin’ny tany ary avy ao amin’ny vovoka no hibitsibitsihanao; eny, hivoaka avy amin’ny tany tahaka ny an’ny mpiantso ny fanahin’ny maty ny feonao ary avy ao amin’ny vovoka no hibitsibitsihanao ny teninao. Kanefa ho tonga tahaka ny vovoka madinika ny fahavalonao betsaka, ary ho tahaka ny akofa entin-drivotra ny mpampihorohoro maro; eny, ho avy tampoka dia tampoka izany. Avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny famaliana, amin’ny kotrokorana sy horohoron-tany ary feo mahery, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona. Ho tahaka ny fahitana amin’ny nofy amin’ny alina ireo firenen-drehetra izay mivory hamely an’i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahory azy. Dia ho tahaka ny olona noana izay manonofy mihinana, kanjo nony mahatsiaro izy dia foana ihany ny kibony; na koa tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanjo nony mahatsiaro izy dia indro, ana sady mbola mangetaheta ihany; ho tahaka izany ny firenena rehetra izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona. Mijanòna ianareo ka mitalanjòna! Tampeno ny masonareo, ary aoka ianareo ho jamba! Mamo ireo nefa tsy tamin’ny divay; mivembena izy nefa tsy noho ny toaka. Fa NY TOMPO efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, efa nakimpiny ny masonareo mpaminany ary efa nosaronany ny lohanareo mpahita. Aminareo ny fahitana ny amin’izany rehetra izany dia tahaka ny teny amin’ny taratasy voaisy tombo-kase izay atolotra olona mahavaky teny ka ilazana hoe: Miangavy anao aho, vakio ity! Hoy anefa izy: Tsy azoko vakina ity satria voaisy tombo-kase. Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Miangavy anao aho, vakio ity! Dia hamaly izy hoe: Tsy mahay mamaky teny aho. Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ny fahatahorany Ahy dia didin’olombelona ampianarina azy ihany. Noho izany dia mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity indray Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ny manampahaizana eo aminy. Lozan’izay miafina lalina mba tsy ho hitan’NY TOMPO ka manafina ny fikasany! Ao amin’ny maizina ny asany ka hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika? Endre izato hadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ny novolavolaina va hilaza izay namolavola azy hoe: Tsy namolavola ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy? Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra i Libanona, ary ny saha mahavokatra dia hoheverina ho ala? Amin’izany andro izany dia ho ren’ny marenina ny lazain’ny boky; ary na dia ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ny jamba. Hitombo hafaliana amin’NY TOMPO ny ory; ary ny mahantra ao amin’ny olona dia hiravoravo amin’ny Iray Masin’ny Israely. Fa tapitra ny mpampihorohoro, tsy ao intsony ny mpaniratsira; ary fongotra izay rehetra tsy misaina afa-tsy ny hanisy ratsy, dia ireo izay manameloka olona amin’ny teny, ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sady mamadika tsy amin’antony ny marina. Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO izay nanavotra an’i Abrahama, izao no lazainy amin’ny taranak’i Jakoba: Tsy hitsanga-menatra intsony i Jakoba ary tsy hivaloarika intsony ny tavany. Fa rehefa hitan’ny zanany ny asan’ny tanako eo anivon’izy ireo dia hanamasina ny anarako izy; eny, hanamasina ny Iray Masin’i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’Andriamanitry ny Israely; ny fanahy diso lalana dia mbola hahazo fahalalana, ary izay mimonomonona dia mbola hahazo lesona hampahendry azy. Lozan’ny zaza maditra! Hoy NY TOMPO. Manao tetikasa izy nefa tsy avy Amiko izany, ary manao fanekena izy nefa tsy avy amin’ny Fanahiko, ka ota anampy ota izany! Mandeha midina ho any Ejipta izy nefa tsy nanontany ny hevitro, hiery any amin’ny fiarovana mafin’ny farao sy hitady fialofana ao amin’ny alokalok’i Ejipta. Kanjo ho tonga henatra ho anareo ny fiarovana mafin’ny farao, ary ho fanalam-baraka anareo ny fialokalofanareo ao amin’ny alokalok’i Ejipta. Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany. Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ny firenena tsy mahasoa azy, izay tsy manampy na mahasoa, fa mahatonga henatra sy latsa ho azy kosa. Ny loza hanjo ny behemota any amin’ny Negeva. Any amin’ny tany feno fahoriana sy tebiteby, izay iavian’ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny dragona manidina, no nitondrany ny harenany teny an-damosin’ny boriky tanora, ary ny fananany teo amin’ny trafon’ny rameva, ho any amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory! Zava-poana sy tsinontsinona mantsy ny famonjen’ny Ejiptiana; koa izany no niantsoako azy hoe: Rahaba tsy mahefa na inona na inona! Avia ankehitriny, soraty izany, soraty amin’ny fafana eo anatrehany ary soraty amin’ny boky, mba haharitra amin’ny andro ho avy, ho vavolombelona mandrakizay doria. Fa firenena maditra izy, zanaka mpamadika, zanaka tsy mety mihaino ny lalànan’NY TOMPO, fa miteny amin’ny mpahita izy hoe: Aza mahita! Ary amin’ny mpaminany hoe: Aza maminany zavatra marina aminay, manaova teny malefaka aminay, maminania fitaka! Mialà amin’ny lalana, mivilia amin’ny sakeli-dalana, atsaharo tsy ho eo anoloanay intsony ny Iray Masin’ny Israely! Koa izao no lazain’ny Iray Masin’ny Israely: Satria mandà izany teny izany ianareo sady matoky ny herisetra sy ny fiolakolahana ka miankina amin’izany, dia ho toy izao ity heloka ity eo aminareo: Tahaka izay mivava efa mila hianjera ka mivohitra amin’ny manda avo, ary ho tampoka dia tampoka no haharavany. Hopotipotehina tahaka ny fahapotipotiky ny vilanin’ny mpanefy tanimanga izy; homontsamontsanina tsy misy indrafo; ary tsy hisy vakiny ho tavela ka mbola ho azo angalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano. Fa izao no lazain’ny Tompo, dia NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely: Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fahanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo. Nefa tsy nety ianareo! Fa hoy kosa ianareo: Tsia! Handositra an-tsoavaly izahay! Noho izany dia handositra tokoa ianareo. Hoy koa ianareo: Hitaingina ny haingam-pandeha izahay! Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo. Handositra toy ny olona tokana ny arivo raha rahonan’ny olona iray; eny, handositra ianareo raha rahonan’ny dimy, mandra-pahatongan’ny sisa aminareo ho tahaka ny tsato-kazo avo any an-tampon’ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ny havoana. Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy! Fa ianao ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony! Fa hamindra fo aminao tokoa Izy noho ny feon’ny fitarainanao; eny, raha vao reny izany dia hamaly anao Izy. Homen’ny Tompo mofo ianao raha ory, ary rano raha malahelo; tsy hiery intsony ny Mpampianatra anao; hahita ny Mpampianatra anao ny masonao. Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano. Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy. Hanome ranonorana ho an’ny masomboly izay nafafinao tamin’ny tany Izy, ary ny hanina vokatry ny tany dia sady ho tsara no mahavoky; ary amin’izany andro izany dia hihinana eny amin’ny tany malalaka ny ombinao. Ny omby sy ny boriky tanora izay miasa ny tany dia hihinana vilona voaisy sira izay voatsikerakera amin’ny angady rovi-dela sy ny fikororohana. Ary amin’ny andro lehibe famonoana, amin’ny fianjeran’ny tilikambo fiambenana, dia hisy lakandrano sy rian-drano hikoriana any an-tendrombohitra avo sy ny havoana manerinerina rehetra. Ny hazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny hazavan’ny masoandro dia ho avo fito heny ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’NY TOMPO ny fahatorotoroan’ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy. Indro, avy any lavitra any ny anaran’NY TOMPO, mirehitra ny fahatezerany sady mavesatra no mandrahona; feno hatezerana ny molony, ary tahaka ny afo mandevona ny lelany; ny fofonainy tahaka ny riaka dia manafotra hatreny am-bozona; hanivana ny firenena amin’ny sivana fandevonana Izy; ho lamboridy mampivily eo amin’ny valanoranon’ny olona izany. Ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fankalazana ny andro firavoravoana; ny hafalian’ny fonao dia ho tahaka ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny Vatolampin’ny Israely. Hanandratra ny feon’ny fiandrianany NY TOMPO ary hampiseho ny fiantefan’ny sandriny amin’ny fahatezerana mirehitra sy ny lelafo mandevona, amin’ny oram-baratra sy ny orana mivatravatra ary ny havandra vaventy. Fa noho ny feon’NY TOMPO dia ho raiki-tahotra ny Asiriana. Hokapohiny amin’ny tsorakazo ireo. Isaky ny miantefa ny tsorakazo voatendry, izay amelezan’NY TOMPO azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; ary amin’ny tanana misandratra no hiadiany aminy. Fa efa voavoatra hatramin’ny taloha i Tofeta; eny, efa nataony vonona ho an’ny mpanjaka izy, natao lalina sady malalaka; ny fatany dia misy afo sy kitay betsaka; ary ny fofonain’NY TOMPO izay tahaka ny renirano solifara no mampirehitra azy. Lozan’izay midina any Ejipta hitady famonjena, sy izay miantehitra amin’ny soavaly ary matoky ny kalesy fitondra miady satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly satria mahery dia mahery ireny, fa tsy mibanjina ny Iray Masin’ny Israely, na mitady NY TOMPO! Izy anefa dia hendry ka mahatonga loza; tsy mba tsoahiny ny teniny; fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao heloka. Olona ihany ny Ejiptiana fa tsy Andriamanitra; nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy. Koa rehefa atsotran’NY TOMPO ny tanany dia ho tafintohina izay manampy ary ho potraka izay ampiana, koa samy ho levona avokoa izy rehetra. Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Tahaka ny fieron’ny liona sy ny liona tanora eo amin’ny rembiny, koa na dia betsaka aza ny mpiandry ondry voaantso hamely azy dia tsy matahotra ny feon’ireo izy, na mivarahontsana noho ny fihorakorahany, tahaka izany no hidinan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hiady ao amin’ny tendrombohitra Ziona sy ny havoanany. Tahaka ny fandrakofan’ny vorona amin’ny elany no hiarovan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, an’i Jerosalema; sady hiaro Izy no hamonjy; eny, sady hiantra no hanafaka. Koa miverena ho amin’Izay efa nikomianareo fatratra ry Zanak’Israely ô! Fa amin’izany andro izany dia harian’ny olona rehetra ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany, izay fahotana nataon’ny tananareo. Ho lavo ny Asiriana, ho lavon’ny sabatra izay tsy mba an’olona; eny, sabatra izay tsy mba an’olombelona no handringanana azy; handositra ny sabatra izy ary hampanaovina fanompoana ny zatovony. Handositra noho ny tahotra ny mpanjakany ary hivadi-po eo anoloan’ny faneva ny mpanapaka eo aminy, hoy NY TOMPO, izay manana afo ao Ziona sy fatana fandoroana ao Jerosalema. Indro, araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary araka ny rariny no hitondran’ny manampahefana. Samy ho fierena amin’ny rivotra, ary ho fialofana amin’ny oram-baratra izy, ho lakandrano manondraka ny tany maina izy, ho alokalo-batolampy mandondona amin’ny tany karankaina. Tsy hikimpy ny mason’izay mahita ary hihaino ny sofin’izay mandre. Hahazo fahalalana ny fon’izay maimaika ary ny lelan’izay mikodedidedy dia hahay miteny haingana sy mazava. Ny adala dia tsy hantsoina intsony hoe andriana ary ny mpanambaka dia tsy holazaina hoe mahafoy be. Ny adala mantsy dia mbola miteny hadalana ihany ary mamoron-keloka ny fony mba hanaovany izay ratsy sy hitenenany ratsy NY TOMPO, ary hiraharahany ny kibon’ny noana sy hanakanany ny mangetaheta tsy hisotro rano. Ratsy ny hafetsen’ny mpanambaka; manao teti-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga na dia manana ny rariny aza ny mahantra; Fa ny olo-mihaja kosa dia manana fikasana araka izay mahamendrika olo-mihaja ary izay mahamendrika olo-mihaja no ifikirany. Mitsangàna, ry vehivavy tsy manana ahiahy, ka henoy ny feoko! Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko! Raha afaka herintaona mahery kely dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; hifarana mantsy ny taom-piotazam-boaloboka ary tsy hisy akory ny fanangonam-boankazo. Mangovita, ianareo vehivavy tsy manana ahiahy! Mangorohoroa, ianareo matokitoky foana! Endaho ny akanjonareo ka mitanjaha ary misikìna lamba fisaonana. Miteha-tratra izy fa malahelo ny saha mahafinaritra sy ny voaloboka vokatra. Ho rakotry ny tsilo sy ny anjavidy ny tanin’ny oloko; eny, hatrany amin’ny trano filalaovana rehetra any amin’ny tanàna miravoravo. Fa ho foana ny lapan’ny mpanjaka, hilaozana ny tanàna mitabataba; ho tonga zohy mandrakizay i Ofela sy ny tilikambo fiambenana; ho zary fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andian’ny ondry aman’osy. Mandra-pandrotsaka ny Fanahy ho amintsika avy amin’ny avo ka ny tany efitra dia ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra dia hoheverina ho ala. Hitoetra any an-tany efitra ny rariny ary honina ao amin’ny saha mahavokatra ny fahamarinana. Fiadanana no ho vokatry ny fahamarinana, filaminana sy fandriampahalemana mandrakizay no asan’ny fahamarinana. Hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fehizay ny oloko, ao amin’ny toerana mahatoky sy ao amin’ny fialan-tsasatra milamina. Nefa ho ripaka amin’ny filatsahan’ny havandra ny ala, ary hadaboka ambany dia ambany ny tanàna. Sambatra ianareo izay mamafy eny amoron’ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky! Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao; ry ilay mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra tsy mandrava intsony ianao dia mba horavana kosa; ary rehefa mitsahatra tsy mamitaka intsony ianao dia mba hofitahina kosa. TOMPO ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka ho herinay isa-maraina Ianao ary ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana! Ny feon’ny fitabatabana no mampandositra ny vahoaka; raha misandratra Ianao dia miparitaka ireo firenena. Hangonina tahaka ny fanangona valala ny babonareo, tahaka ny firohotana eo amin’ny sompanga no hirohotana eo aminy. Manerinerina NY TOMPO satria mitoetra any amin’ny avo Izy; nofenoiny rariny sy fahamarinana i Ziona. Tsy hanam-piovana ny andronao; harena mahavonjy ny fahendrena sy ny fahalalana; ny fahatahorana NY TOMPO no harenany amin’izany. Indreo misy lehilahy mahery mitaraina eny ivelany; ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy. Foana ny lalambe; tsy misy mpandeha intsony ny sakeli-dalana; nofoanany ny fanekena; nohamavoiny ny tanàna; tsy nanaja olona izy. Misaona ny tany ka milofika; menatra i Libanona ka malazo; tonga tahaka ny tany ngazana i Saròna, ary manintsan-dravina i Basana sy i Karmela. Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy NY TOMPO; ankehitriny dia hijoro Aho; ankehitriny dia hisandratra Aho. Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka mololo; ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo. Ny firenena dia ho tahaka ny fandoroan-tsokay; eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ny afo izy. Mihainoa ny amin’izay efa nataoko, ianareo izay lavitra! Ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky! Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; horohoro no nahazo ny ratsy fanahy: Iza amintsika no hahatoetra ao amin’ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra ao amin’ny lelafo tsy mety maty? Izay mandeha amin’ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadìny mba tsy handrenesany ny amin’ny fandatsahan-dra sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy; izy no honina any amin’ny avo; any amin’ny harambato ny fiarovany tena; izay hohaniny dia homena azy ary azo antoka ny rano hosotroiny. Ny masonao dia hahita ny mpanjaka amin’ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka. Hotsaroanao ilay nampahatahotra anao: Aiza ny mpitantsoratra? Aiza ny mpamory hetra? Aiza ny mpanisa ny tilikambo fiambenana? Tsy ho hitanao intsony ny firenena misetrasetra, dia ireo olona miboredidredi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela miakanakana ka tsy azo. Tsinjovy i Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ny andro firavoravoana! Ny masonao dia hahita an’i Jerosalema, fonenana mandry fehizay, tranolay izay tsy hafindra intsony, tsy hongotana intsony mandrakizay ny tsatokan-dainy, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny. Fa any tokoa dia mahery ho antsika NY TOMPO. Tany misy ony sy lakandrano lehibe no any; tsy halehan’ny sambo voizina izany, na hovakivakin’ny sambo lehibe. Fa NY TOMPO no Mpitsara antsika; NY TOMPO no Mpanome lalàna ho antsika; NY TOMPO no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika. Mivaha ny mahazakan-tsambonao; tsy mahahazona mafy ny fiorenan’andry izy, na mahavelatra ny lay. Fa amin’izay kosa dia hozaraina ny zavatra betsaka voababo; na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany; tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho! Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka. Manatòna ianareo Jentilisa mba handre! Mihainoa ianareo firenena! Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy! Fa ny fahatezeran’NY TOMPO dia amin’ny Jentilisa rehetra ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fisafoahany; efa nodidiany hatao zavatra voaozona ireo ary natolony hovonoina. Izay voavono amin’ireo dia hariana ka hamofona ny hamaimbon’ny fatiny, ary hiempo ny tendrombohitra azon’ny rany. Ho levona ny tafiky ny lanitra rehetra ary hahorona tahaka ny fangorona taratasy ny lanitra; ny tafiny rehetra dia halazo tahaka ny falazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo, mihintsana avy amin’ny aviavy. Fa ny sabatro dia mamo any amin’ny lanitra; indro, hidina ao amin’i Edoma izy sy amin’ny firenena voatendriko ho zavatra voaozona mba ho fitsarana azy. Feno ra ny sabatry NY TOMPO; eny, mihoso-menaka avy amin’ny matavy sy amin’ny ran’ny zanak’ondry sy ny osilahy ary amin’ny jabora fonom-boan’ny ondrilahy; fa misy fanatitra ataon’NY TOMPO ao Bozra, ary misy fandringanana be ao amin’ny tany Edoma. Miaraka aripaka aminy ny ombimanga mbamin’ny vantotra omby sy ny ombilahy ka vonton-dra ny taniny ary mihoso-menaka ny vovo-taniny. Fa andro famalian’NY TOMPO izany, taona famaliana hiadiana ho an’i Ziona. Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny; ho toy ny dity mirehitra ny taniny. Tsy hovonoina izany na alina na andro, ary hisavoana tsy mitsahatra ny setrony; ho tany karankaina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby izy, tsy hisy handeha hamakivaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. Fa ho zaratanin’ny tararaka sy ny sokina izy. Hitoetra ao ny vorondolo lehibe sy ny goaika, ary hohenjanina eo aminy ny kofehy fandrefesan’ny fikorontanana sy ny fandrefesana marindranon’ny fahafoanana. Tsy hisy ho ao intsony ny lehibe hanendry izay ho mpanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. Ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ny lapan’ny mpanjakany, songosongo sy voaroy no ho ao amin’ny manda fiarovany, ary ho fonenan’ny amboadia sy fitoeran’ny aotirisy izany. Hihaona amin’ny kary ireo mponina any an-tany efitra, hiantso ny namany ny osilahy; ary ilay biby mandehandeha amin’ny alina no hitoetra any ka hahita toeram-pialan-tsasatra ho azy; hanao ny lavany any ny bibilava ka hanatody sy hikotrika ary hifana ao amin’ny alokalony; any koa no hiangonan’ny papango, samy eo amin’ny namany avy. Tadiavo ny bokin’NY TOMPO ka vakio! Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza; tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; fa ny vavan’NY TOMPO no nandidy izany, ary ny Fanahiny ihany no nanangona azy. Izy no nanendry anjara ho an’ireo ary ny tanany no nizara izany ho an’ireo tamin’ny kofehy fandrefesana. Handova izany mandrakizay ireo ka hitoetra ao hatramin’ny taranany fara aman-dimby. Ravoravo ny tany efitra sy ny tany karankaina, mibitaka ny tany ngazana sady mamony tahaka ny lisy; mamony be dia be izy; eny, mibitaka sy mihoby izy, homena azy ny voninahitr’i Libanona mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy i Saròna. Dia hahita ny voninahitry NY TOMPO sy ny famirapiratan’Andriamanitsika izy. Ampaherezonareo ny tanana miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy; Lazao amin’izay mitebiteby hoe: Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo! Avy mitondra famaliana Izy, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. Dia hampahiratina ny mason’ny jamba ary hampandrenesina ny sofin’ny marenina. Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa ary hihoby ny lelan’ny moana. Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. Ny tany ngazana dia ho tonga farihy, ary ny tany mangentana dia ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro. Hisy lalambe any, lalana voavoatra, izay hatao hoe lalan’ny fahamasinana. Tsy mba handia izany ny tsy madio; fa ho an’izay mandeha eo aminy kosa, na ny adala aza dia tsy ho diso lalana; tsy hisy liona ao sady tsy hiakaran’ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny fa ny olona navotana no handeha ao. Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO. Hankany Ziona amin’ny fihobiana izy ireo, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana. Tamin’ny taona fahefatra amby folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy. Ary naniraka an’i Rabsake mbamin’ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia mpanjaka ny mpanjakan’i Asiria. Dia nitsangana teo anilan’ny lakandrano amin’ny kamory ambony izy, teo amin’ny lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba. Dia nivoaka hitsena azy i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitantsoratry ny raharaham-panjakana. Dia hoy i Rabsake tamin’ireo: Andeha, lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria: Inona moa izato itokianao? Teny foana, hoy aho, ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho! Fa iza moa no itokianao ankehitriny no mikomy amiko ianao? Indro, matoky io tehina volotara torotoro io ianao, dia i Ejipta; nefa raha itehenan’olona io dia manindrona managorobaka ny tanany; eny, tahaka izany ny farao, mpanjakan’i Ejipta, amin’izay rehetra matoky azy. Fa raha hoy ianao amiko: NY TOMPO Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny toerana fanaovana sorona mbamin’ny alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’ny Joda sy i Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara ity no hiankohofanareo? Koa aoka ary hifaninana ianao sy ny tompoko, dia ny mpanjakan’i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo ianao raha mahita olona hitaingina azy. Hataonao ahoana no fampiamboho ny mpitari-tafika iray amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra aza? Nefa i Ejipta no itokisanao hahazoanao kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly! Koa moa haitraitrako va izao niakarako izao? Tsia, fa NY TOMPO no naniraka ahy handrava ity tany ity ka niteny hoe: Miakara ho amin’izany tany izany ka ravao izy. Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao aho, teny arameana no ataovy amin’ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany, fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda. Hoy anefa i Rabsake: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ny olona mipetraka eny ambonin’ny manda, izay voatery hihinana ny fivalanany sy hisotro ny fivalanan-dranony miaraka aminareo? Dia nijoro i Rabsake ka niantso tamin’ny feo mahery tamin’ny teny jiosy hoe: Henoy ny tenin’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria! Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory. Aza mety hasain’i Hezekia hatoky NY TOMPO ianareo amin’ny filazany hoe: Hamonjy antsika tokoa NY TOMPO! Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria tsy akory ity tanàna ity! Aza mihaino an’i Hezekia ianareo, fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Mihavàna amiko ianareo ka mankanesa atỳ amiko! Ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo, ary samia misotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka. Aza mety hofitahin’i Hezekia ianareo amin’ny ilazany hoe: NY TOMPO no hamonjy antsika! Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va ireo andriamanitry ny firenena ireo? Aiza moa ny andriamanitr’i Hamata sy i Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr’i Sefarvaima? Nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tanako va ireo andriamaniny? Iza moa amin’ny andriamanitra rehetra amin’ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, koa aiza no hahafahan’NY TOMPO mamonjy an’i Jerosalema amin’ny tanako? Nangina anefa ny olona ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraimbava akory aza, satria ny mpanjaka dia efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy. Ary i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitantsoratry ny raharaham-panjakana dia niditra nankao amin’i Hezekia rehefa avy nandriatra ny fitafiany, ary nitatitra taminy ny tenin’i Rabsake izy ireo. Nony nandre izany i Hezekia mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary nirahiny ho any amin’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, i Eliakima, lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary ny lehiben’ny mpisorona, izay samy nitafy lamba fisaonana. Izao no nampilazainy azy ireo: Izao no lazain’i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa efa hivoaka ny kibon’ny reniny ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy izy. Angamba ho ren’NY TOMPO Andriamanitrao ny tenin’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hihantsy an’Andriamanitra velona ka mba hovaliny izy noho ny teny izay efa ren’NY TOMPO Andriamanitrao. Koa manandrata vavaka ianao ho an’ireo izay mbola sisa. Dia nankany amin’Isaia ireo mpanompon’i Hezekia mpanjaka. Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ny tomponareo hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza matahotra ny teny renao, dia izay nanompan’iretsy mpanompolahin’ny mpanjakan’i Asiria iretsy Ahy. Fa indro, hanisy fanahy ao anatiny Aho, ary hahare vaovao izy ka hiverina ho any amin’ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy. Dia niverina i Rabsake ka nankany Libna izay nataon’ny mpanjakan’i Asiria fahirano tamin’izay, satria reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka. Ary nandre vaovao mikasika an’i Tiraka mpanjakan’i Kosy i Sankeriba hoe: Avy hiady aminao izy. Nony nandre izany izy dia nandefa iraka ho any amin’i Hezekia ary niteny hoe: Izao no holazainareo amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema! Indro, efa renao izay nataon’ireo mpanjakan’i Asiria tamin’ny tany rehetra, dia ny nanaovany ho zavatra voaozona azy; koa ianao indray va no ho voavonjy? Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako, dia i Gozana, i Harana, i Rezefa ary ny taranak’i Edena izay tao Telasara? Aiza ny mpanjakan’i Hamata, ny mpanjakan’i Arpada, ny mpanjakan’ny tanànan’i Sefarvaima, i Henà ary Iva? Dia noraisin’i Hezekia tamin’ny tanan’ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao amin’ny tranon’NY TOMPO izy ka namelatra izany teo anatrehan’NY TOMPO. Ary nivavaka tamin’NY TOMPO i Hezekia hoe: Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Andriamanitry ny Israely, izay mipetraka amin’ny kerobima; Ianao dia Ianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany; Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. Atongilano ny sofinao, TOMPO ô, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, TOMPO ô, ka mijere! Ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain’i Sankeriba hihantsy an’Andriamanitra velona! TOMPO ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’i Asiria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny ary efa nariany tao anaty afo ny andriamaniny; tsy Andriamanitra akory mantsy ireny, fa asan’ny tanan’olona ihany, dia hazo sy vato, ka azony nosimbana. Koa ankehitriny, RY TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanany izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery ihany no TOMPO! Dia nandefa iraka Isaia zanak’i Amoza, hankany amin’i Hezekia hilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny amin’ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, dia izao no teny nolazain’NY TOMPO ny amin’i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao i Ziona, zanakavavy virijiny, mihifikifi-doha ao aoriananao i Jerosalema zanakavavy. Fa iza no nohantsianao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao? Nampiandrandra ny masonao any ambony ianao mba hanohitra ny Iray Masin’ny Israely! Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nihantsianao ny Tompo ka hoy ianao: Tamin’ny kalesiko fitondra miady maro no niakarako tany an-tampon’ny tendrombohitra, tao afovoan’i Libanona; hokapaiko ny sedera avo sy ny kipreso voafantina, dia hiditra any amin’izay farany azo iakarana ao aho sy any amin’ny alany matevina. Nihady lavaka Aho ka nisotro rano ary ny faladiako no handritako ny lakandrano rehetra any Ejipta. Tsy mbola renao va fa hatry ny fony ela no nanaovako izany, ary hatramin’ny andro taloha no namolavolako izao? Ankehitriny dia nahatanteraka izany Aho. Koa ny anjaranao sisa dia ny handrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato. Efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra izy ireo no nangaihay; tahaka ny ahitra any an-tsaha sy ny ahi-maitso izy, tahaka ny ahitra eo amin’ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry. Fa samy fantatro avokoa na mipetraka ianao na mivoaka hiady, na miverina avy niady, na mihetsiketsika hanohitra Ahy. Satria mihetsiketsika hanohitra Ahy tokoa ianao ary efa tafakatra atỳ an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny faraingoko ny oronao ary hopetahiko ny lamboridiko ny vavanao dia hampivereniko amin’ny lalana izay niavianao ianao. Izao kosa no famantarana ho anao: Hihinana ny vokatry ny voa nihintsana ianareo amin’ity taona ity ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany. Fa amin’ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo ka mijinjà ary manaova tanim-boaloboka ka mihinàna izay vokatra avy aminy. Ary izay sisa ho tavela amin’ny taranak’i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa. Fa hisy sisa hivoaka avy ao Jerosalema ary ny sisa afaka avy ao amin’ny tendrombohitra Ziona. Izany no hataon’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy. Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany fa tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, hoy NY TOMPO Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko. Dia avy ilay Anjelin’NY TOMPO ka namely olona dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asiriana; ary nony nifoha vao maraina ny olona dia hita fa indreo, efa maty avokoa ireo! Dia niainga i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive. Ary raha niankohoka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny izy dia nokapain’i Adrameleka sy i Sarezera zanany lahy tamin’ny sabatra; dia afaka nandositra ho any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy; ary i Esara-Hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy. Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia; ary nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao fa ho faty ianao fa tsy ho velona. Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin’NY TOMPO. Hoy izy: TOMPO ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko manontolo ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao! Dia nitomany mafy indrindra izy. Dia tonga tamin’Isaia ny tenin’NY TOMPO hoe: Mandehana lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hampiako dimy amby folo taona ny andronao. Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; hiaro ity tanàna ity Aho. Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’NY TOMPO, hahalalanao fa NY TOMPO hanatanteraka izay zavatra nolazainy: Indro, hampivereniko ambaratonga folo miaraka amin’ny masoandro ny aloka eo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza, eo amin’ilay efa nidinany iny. Dia niverina tokoa ny masoandro teo amin’ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka. Ny teny nosoratan’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ny aretiny: Hoy aho: Amin’izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty. Nesorina tamiko ny androko sisa! Hoy aho: Tsy mba hahita NY TOMPO intsony aho; eny, tsy mba hahita NY TOMPO ao amin’ny tanin’ny velona intsony aho; tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ny mponina any amin’ny fitoeran’ny maty. Nesorina ny fonenako ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny tranolain’ny mpiandry ondry; ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ny kofehy mihazona azy izy. Indray andro monja no anaperanao ny aiko! Nampangina ny foko aho mandra-paharain’ny andro; tahaka ny fanapatapaky ny liona taolana no anapatapahany ny taolako rehetra; indray andro monja no anaperanao ny aiko! Mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Reraka miandrandra ny avo ny masoko, TOMPO ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Ianao! Inona no holazaiko? Sady namaly ahy Izy no Izy ihany no nahatanteraka. Handeha am-panetren-tena aho amin’ny taonako sisa rehetra noho ny fahoriana mangidy mahazo ahy. Tompo ô, ny fahatsaranao no mahavelona, ary amin’izany tokoa no iainan’ny fanahiko ka manasitrana sy mamelona ahy Ianao. Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy. Ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka mangitsokitsoka, fa narianao tao ivohonao ny fahotako rehetra. Fa tsy mba mahasaotra Anao ny fitoeran’ny maty, tsy mba mahadera Anao ny fahafatesana; ary izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao intsony. Ny velona, ny velona ihany no hidera Anao, tahaka ahy izao anio izao; hampahalala ny zanany ny fahamarinanao ny ray. NY TOMPO efa namonjy ahy! Hitendry ny lokangako ao amin’ny tranon’NY TOMPO izahay amin’ny andro rehetra iainanay. Dia hoy Isaia: Makà mofo aviavy ary apetaho amin’ny vay izany mba ho sitrana i Hezekia. Ary hoy i Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho? Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; reny mantsy fa narary izy ka sitrana. Faly noho izany i Hezekia ka nampiseho azy ny trano fitahirizany zava-tsoa, dia volafotsy, volamena, zavamanitra ary menaka tsara, sy ny trano fitahirizana ny fiadiany rehetra mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany rehetra. Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Inona no nolazain’ireo olona ireo ary avy taiza no niaviany hankaty aminao? Ary hoy i Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, avy tany Babilona. Dia hoy Isaia: Koa inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy i Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ny trano fitahirizana rehetra. Dia hoy Isaia tamin’i Hezekia: Henoy ary ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO. Ary na dia ny naterakao aza dia hisy hoentiny koa ka ho ionoka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babilona ireo. Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ny androko ka handry fahalemana ny tany. Ampiononinareo, ampiononinareo ny oloko, hoy Andriamanitrareo. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema ka ambarao aminy fa tapitra ny adiny sady voaonitra ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’NY TOMPO izy ho valin’ny fahotany rehetra. Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana! Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka ny be havoana ho tonga tany marina, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka! Dia hiseho ny voninahitry NY TOMPO ary hiara-mahita izany ny nofo rehetra; fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny. Injany misy miteny hoe: Miantsoa! Ary hoy ny navaliny: Inona anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny hatsaran-tarehiny rehetra. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa tsofin’ny fofonain’NY TOMPO. Eny, ahitra tokoa ny olona: Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay. Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo! Indro NY TOMPO Andriamanitra ho avy amin’ny heriny ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny Aminy ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono. Iza no nahafatra ny rano teo am-pelatanany sy naharefy ny lanitra tamin’ny zehiny ary nahavory ny vovo-tany ao anatin’ny famarana? Iza no nahalanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana? Iza no nanome hevitra ny Fanahin’NY TOMPO ary iza no mpanolotsaina nampianatra Azy? Tamin’iza no nifampidinihany ka nahazoany fahalalana? Iza no nanoro Azy ny lalan’ny fitsarana sy nampianatra fahalalana Azy ary nampahafantatra Azy ny lalan’ny fahendrena? Indro ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary toy ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro ny nosy dia tahaka ny vovoka madinika entin’ny rivotra manidina. I Libanona aza, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy hatao fanatitra dorana manontolo. Toy ny tsinontsinona eo anatrehany ny firenena rehetra ka ataony ho naman’ny tsinontsinona sy ny zava-poana. Koa ampitovinareo amin’iza moa Andriamanitra? Endrik’inona no hampanahafinareo Azy? Ny mpahay taozavatra no mandrendrika sary vongana, ary ny mpanefy volamena no mametaka takelaka volamena aminy sy manao rojo volafotsy voarendrika. Izay sahirana ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lo ary mitady mpahay taozavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihozongozona. Tsy fantatrareo va? Tsy renareo va? Tsy efa nambara taminareo taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ny fanorenan’ny tany? Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify ary manenjana azy tahaka ny tranolay hitoerana. Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ny tany ho tahaka ny zava-poana. Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy, vao namaka tao amin’ny tany ny fotony, dia notsofin’Andriamanitra ireo ka nalazo, ary nindaosin’ny tafio-drivotra tahaka ny mololo izy. Koa hampitovianareo amin’iza moa Aho, mba hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina. Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza. Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Israely hoe: Miafina tsy hitan’NY TOMPO ny lalako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany. Mampahatanjaka ny reraka Izy ary izay kely hery dia ampitomboiny hery. Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka. Mangìna ianareo hihaino Ahy, ry nosy! Ary aoka hanavao ny heriny ny firenena; aoka hanatona izy ka hiteny! Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana. Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra? Iza no nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ary nampietry mpanjaka? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, sy ny tsipìkany ho tahaka ny mololo paohin’ny rivotra? Manenjika ireo izy ka mihoatra azy soa amantsara any amin’izay lalana tsy mbola nodiavin’ny tongony. Iza moa no nanao sy nahavita izany? Ilay miantso ny taranaka maro hatramin’ny taloha. Izaho TOMPO no voalohany, ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy. Nahita ny nosy ka raiki-tahotra. Toran-kovitra ny vazan-tany. Dia nanatona izy ireo ka tonga. Samy manampy ny namany avy izy rehetra, ary samy milaza amin’ny rahalahiny avy hoe: Mahereza! Koa ny mpahay taozavatra dia mampahery ny mpanefy volamena, ary izay mandama tamin’ny maritoa mampahery izay mively eo amin’ny riandriana, Ka hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity! Dia homboany mafy tamin’ny fantsika ilay sampy mba tsy hihozongozona. Fa ianao kosa, ry Israely mpanompoko, ry Jakoba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako! Ianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, efa nofidiko ka tsy mba hariako! Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao; ho tonga tsinontsinona izy; eny, ho levona izay miady aminao. Hotadiavinao izay mifanditra aminao fa tsy ho hitanao; ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao. Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Israely olom-bitsy; Izaho no hamonjy anao, hoy NY TOMPO, Izaho Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao. Indro, ataoko ragiragy vaovao misy nify maranitra ianao; hanosihosy ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa. Hikororoka azy ianao ka hopaohin’ny rivotra izy, ary hanely azy ny tafio-drivotra. Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’NY TOMPO, ary ny Iray Masin’ny Israely no ho reharehanao. Mitady rano ny ory sy ny mahantra nefa tsy mahita, mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO no hamaly azy, Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy; Hampiboiboika renirano eny an-tampon-tanety mangadihady Aho, ary loharano eny afovoan’ny lohasaha; hataoko tonga farihy ny tany efitra ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika; Hampaniry hazo sedera sy akasia, sy rotra ary oliva any an-tany efitra Aho, ary ny kipreso sy hazo kesika ary kirihitra dia hampiarahina eny amin’ny tany ngazana, mba ho hitan’izy ireo sy ho fantany, ary hoheveriny sy ho azony an-tsaina fa ny tanan’NY TOMPO no nanao izany, ary ny Iray Masin’ny Israely no nahary azy. Alaharo eto ny teninareo, hoy NY TOMPO; asehoy izay fiarovan-tenanareo, hoy ny Mpanjakan’i Jakoba. Aoka hanatona izy. Aoka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy, nanao ahoana ny zavatra taloha, mba hosaininay ka ho fantatray izay hiafarany; na mba ilazao koa izay zavatra ho avy izahay. Ambarao anay izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; eny, manaova soa na manaova ratsy, mba hitaha isika ka hiaraha-mahita. Indro, tena tsinontsinona ianareo, ary ny asanareo dia tena naman’ny zava-poana; fahavetavetana ny nifidianana anareo. Nanaitra olona iray avy tany avaratra Aho ka tonga izy. Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hiantsoany ny anarako; hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy fotaka izy, tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga. Iza no nanambara izany hatramin’ny voalohany, mba ho fantatray dieny mialoha ka hataonay hoe: Marina izany! Tsy nisy nanambara; eny, tsy nisy nilaza ary tsy nisy nandre ny teninareo. Izaho no voalohany izay milaza amin’i Ziona hoe: Indreo izy! Manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’i Jerosalema Aho. Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy na iza na iza; eny, tsy nisy mpanolotsaina tamin’izy ireo ka tsy misy afaka hamaly Ahy raha manontany azy Aho! Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivotra sy zava-poana ny sampiny voarendrika. Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa Izy. Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hanao fitsarana marina tokoa Izy. Tsy ho reraka Izy na ho kivy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy dia hiandry ny lalànany. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy: Izaho TOMPO no niantso anao tamin’ny fahamarinana sy mihazona anao amin’ny tananao, ary miaro anao Aho ka hanao anao ho fanekena ho an’ny olona, ho fanazavana ny Jentilisa, hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny voafonja hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala tao amin’ny trano famatorana. Izaho no TOMPO, izany no anarako, koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra. Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo. Samia mihira fihiram-baovao ho an’NY TOMPO, dia ny fiderana Azy avy any amin’ny faran’ny tany, ianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy! Aoka ny tany efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, toa izany koa ny vohitra izay onenan’i Kedara! Aoka hihoby ny mponina any Sela! Aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy. Aoka homena voninahitra NY TOMPO ary hotorina any amin’ny nosy ny fiderana Azy! Mivoaka hiady tahaka ny lehilahy mahery NY TOMPO, tahaka ny fanaon’ny lehilahy mpiady no amohazany ny fahasaro-piarony; miantsoantso Izy; eny, mihiaka mafy; mampiseho hery handreseny ny fahavalony Izy. Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka; eny, miemponempona tsy avy miaina. Hataoko ngazana ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra eo aminy, hataoko tonga nosy ny ony, ary hataoko tankina ny farihy. Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy. Hihemotra sady hitsanga-menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay miteny amin’ny sarin-javatra voarendrika hoe: Ianareo no andriamanitray! Mihainoa ry marenina! Mijere ry jamba mba hahita! Iza moa no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahak’ilay nahita fiadanana, ary jamba tahaka ny mpanompon’NY TOMPO? Mahita zavatra maro ianao nefa tsy mitandrina; misy nanongilana ny sofiny nefa tsy nihaino. Sitraky NY TOMPO noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy. Kanefa ity dia firenena voababo sy voaroba! Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voafina ao an-tranomaizina; voababo izy nefa tsy misy mamonjy! Voasambotra izy nefa tsy misy miteny hoe: Ampodio! Iza aminareo no hihaino izany? Iza no handre dia hitandrina izany amin’ny ho avy? Iza no nanolotra an’i Jakoba hosamborina, ary Israely ho an’ny mpamabo? Tsy NY TOMPO, izay nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ny lalany ireo sady tsy nety nihaino ny lalànany. Dia narotsany tamin’Israely ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ny ady. Ary nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; ary nandoro azy nefa tsy noheverin’ny fony. Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao! Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo. Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ny Israely, Mpamonjy anao; omeko ho fanavotana anao i Ejipta, ary ho solonao i Kosy sy i Seba. Satria sarobidy eo imasoko ianao, ary be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena no ho solon’ny ainao. Aza matahotra fa momba anao Aho; hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao. Ny avaratra dia hilazako hoe: Omeo! Ary ny atsimo hoe: Aza hazonina! Alao ny zanako lahy avy lavitra sy ny zanako vavy avy any amin’ny faran’ny tany, dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay novolavolaiko sy nataoko. Ento mivoaka ny olona jamba nefa mana-maso, ary ny marenina nefa manan-tsofina. Aoka hiangona ny firenena rehetra ary aoka hivory ny mponina! Iza tamin’izy ireo no nanambara izany? Iza tamin’izy ireo no nanambara tamintsika izay niseho taloha? Aoka hoentiny hanamarina azy ny vavolombelony! Ary aoka hohenoina ireo mba hiaiky hoe: Marina izany! Ianareo no vavolombeloko hoy NY TOMPO, sady mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo; koa ianareo no vavolombeloko, hoy NY TOMPO, ary Izaho no Andriamanitra. Eny, hatramin’izany andro izany dia Izaho no Izy, ary tsy misy maharombaka ny eto amin’ny tanako; miasa Aho ka iza moa no hahasakana izany? Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Israely: Noho ny aminareo no nanirahako olona hiady amin’i Babilona, ary harendriko ireo mpandositra rehetra ireo, dia ireo Kaldeana izay mirebika any amin’ny sambony. Izaho no TOMPO, Iray Masinareo, Mpamorona ny Israely sady Mpanjakanareo. Izao no lazain’NY TOMPO, izay manao lalana eny amin’ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja, izay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly, ny tafika sy ny lehilahy mahery. Miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony. Mitsilopilopy izy ka maty toy ny lahin-jiro lany: Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony. Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia sy ny amboadia ary ny aotirisy, satria manisy rano any an-tany efitra sy ony any amin’ny tany ngazana Aho mba hampisotroina ny oloko, dia ilay voafidiko. Izao vahoaka noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy. Nefa tsy mba Izaho no nantsoinao, ry Jakoba! Fa sasatra Tamiko ianao, ry Israely! Tsy nitondranao ny zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo Aho. Tsy nataonao ho fanomezam-boninahitra Ahy ny fanatitrao; tsy nataoko raharaham-panompoanao ny fanatitra, na nanasatra anao tamin’ny ditin-kazo manitra Aho. Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ny jaboran’ny fanatitrao; fa nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao kosa ianao sady nanasatra Ahy tamin’ny helokao. Izaho dia Izaho ihany no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako ary tsy hotsarovako intsony ny fahotanao. Ampahatsiarovy Aho, koa avia isika hifandahatra; alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao. Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota ary efa nikomy Tamiko ireny mpitondra teninao ireny. Koa izany no nandotoako ny mpanapaka ny fitoerana masina sy nanolorako an’i Jakoba ho zavatra voaozona ary Israely ho latsa. Mihainoa ankehitriny, ry Jakoba mpanompoko sy ry Israely izay nofidiko. Izao no lazain’NY TOMPO izay namorona anao, sy namolavola anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, ary ianao, ry Jesoròna izay nofidiko; fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho ary handefa riaka ho amin’izay tany karankaina; eny, handrotsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho ary ny fitahiako ho amin’ny naterakao. Dia haniry eny afovoan’ny ahitra ireny, tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ny rano mandeha. Ny iray dia hilaza hoe: An’NY TOMPO aho! Ary ny iray dia hiantso ny anaran’i Jakoba. Ary ny iray koa dia hanoratra eo amin’ny tanany hoe An’NY TOMPO, ary hotononiny amim-panajana ny anarana hoe Israely. Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, Mpanavotra azy, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no voalohany ary Izaho no farany, koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Ary iza moa no tahaka Ahy? Aoka izy hiteny mafy! Aoka izy hanambara sy handahatra Amiko izay niseho hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola! Ary aoka hambarany koa izay zavatra ho avy sy mbola ho tonga. Aza matahotra na mangovitra ianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin’ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko. Moa misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy mahafantatra Aho. Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy. Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra voarendrika izay tsy mahasoa akory? Indro, ho menatra ny namany rehetra; fa ny mpahay taozavatra nanao ireny dia olona ihany; aoka hivory izy rehetra ka handroso; aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy. Ny mpanefy vy dia mandoro ny fiasany tahaka ny famaky ao anaty vainafo ary manamboatra azy amin’ny maritoa; miasa azy amin’ny sandriny matanjaka izy; nefa noana izy ka ketraka ny heriny; tsy misotro rano izy ka reraka. Ny mpandrafitra dia manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ny fanoratana; manamboatra azy amin’ny vankona izy, ary manamarika azy amin’ny fanoritam-paribolana; mahavita azy ho tahaka ny endrik’olona izy, tahaka ny hatsaran-tarehin’ny olona, mba hampitoerina ao an-trano. Mikapa hazo sedera izy ary maka hazo kipreso sy hazo oaka izay efa nitombo tany an’ala; mamboly hazo kesika izy ka ampanirin’ny ranonorana izany; Fanaovan’ny olona kitay izany ary analany hamindroany. Ampirehetiny izany mba hanendasany mofo sady anaovany andriamanitra ka ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany ka iankohofany. Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny; manatsatsika hena izy ka voky; eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha! Mafana aho izany, nahita afo aho! Ny hazo sisa kosa dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, dia miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao! Tsy mahalala na mahafantatra ireny; fa voatampina ny masony ka tsy mahita, toy izany koa ny fony ka tsy mahalala. Tsy mieritreritra izy na mba manana fahalalana sy saina akory hitenenana hoe: Nodorako tamin’ny afo ny antsasany; eny, nanendy mofo tamin’ny vainafony aho: nanatsatsika hena aho dia nihinana; koa ny sisa dia hataoko fahavetavetana! Hiankohoka eo anatrehan’ny vatan-kazo aho! Homan-davenona izy; voafitaka ny fony ka nampivily azy, tsy mahavonjy azy izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako havanana? Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao ry Israely, fa mpanompoko ianao; noforoniko ianao ka mpanompoko; tsy hohadinoiko ianao, ry Israely ô. Efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona Aho, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho. Mihobia, ry lanitra, fa NY TOMPO no nanao izany! Manaova feo fifaliana ianareo, ry toerana lalina any ambanin’ny tany! Velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Ary ianao ry ala mbamin’izay hazo rehetra ao! Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba sady mampiseho ny voninahiny eo amin’Israely. Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany; Manafoana ny fambara lazain’ny mpibedibedy Aho ary mahavery saina ny mpisikidy; mampihemotra ny olon-kendry Aho ka mampody ny fahalalany ho fahadalana. Mahatò ny tenin’ny mpanompoko Aho ary manatanteraka ny saina atolotry ny irako. Miteny amin’i Jerosalema Aho hoe: Honenana ianao, ary amin’ireo tanànan’i Joda hoe: Hatsangana ianareo ka hamboariko izay rava. Milaza amin’ny rano lalina Aho hoe: Aoka ho maina ianao; hataoko tankina ny oninao. Ary milaza an’i Kirosy Aho hoe: Izy no mpiandry ondriko! Koa izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary hiteny amin’i Jerosalema izy hoe: Hatsangana ianao! Ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ianao. Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Voahosony, dia i Kirosy izay notantanako tamin’ny tanany havanana mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehikibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; dia homeko anao ny harena ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO izay miantso anao amin’ny anaranao, dia Andriamanitry ny Israely. Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; efa nampisikina anao Aho, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao, mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no TOMPO ary tsy misy hafa, dia Izaho izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany. Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka ny fahamarinana! Aoka ny tany hisokatra mba ho vokatra avy amin’ireo ny famonjena, aoka hitsimoka miaraka amin’izay ny fahamarinana. Izaho TOMPO no efa nahatonga izany. Lozan’izay miady amin’ny namorona azy, tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hiteny hoe: Tsy manan-tanana izy! Lozan’izay miteny amin’ny ray hoe: Inona no aterakao? Na amin’ny reny hoe: Inona no aloaky ny kibonao? Izao no lazain’NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely, dia ny namorona azy: Ny zavatra ho avy va no anontaniana Amiko? Ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra. Izaho no nanaitra azy io tamin’ny fahamarinana ary haravoko avokoa ny lalany rehetra; izy no hanangana ny tanànako ary havelany handeha ny oloko voababo, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Izao no lazain’NY TOMPO: Ny vokatry ny fisasaran’i Ejipta sy ny tombom-barotr’i Kosy sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, dia hafindra ao aminao ka ho anao. Dia hanaraka ao aoriananao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka eo anatrehanao sady hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy, zava-poana ireo andriamanitra tsy izy! Marina tokoa fa Ianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Israely sady Mpamonjy ô! Hitsanga-menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra hivavahana. Fa hahazo famonjena mandrakizay avy amin’NY TOMPO kosa ny Israely. Tsy hitsanga-menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo. Fa izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany ka nahavita sy nampiorina azy, tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy, fa novolavolainy mba honenana: Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa. Tsy tao amin’ny mangingina no nitenenako, na tao amin’ny toerana maizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: Tadiavo any amin’izay tsy misy endrika Aho! Izaho TOMPO no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy. Mivoria ka avia ary miaraha manatona, ianareo Jentilisa sisa afaka! Tsy manam-pahalalana ireo izay mitondra ny hazo natao sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy. Ambarao ka asehoy mazava! Eny, aoka hiara-misaina izy ireo! Iza moa no nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho TOMPO va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa. Ny tenako no nianianako, ny vavako no ivoahan’ny fahamarinana, teny tsy hiverina foana izany, dia ny hoe: Izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra sy hianianan’ny lela rehetra hoe: Ao amin’NY TOMPO ihany no voalaza fa misy fahamarinana sy hery; ka Izy ihany no hohatonin’ny olona amin-kenatra, dia ireo rehetra tezitra Aminy. Ao amin’NY TOMPO no hanamarinana ny taranak’Israely rehetra sy hananany rehareha. Mangozohozo i Bela, miraika i Nebo; ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; ianareo no tokony hitondra izany nefa novesaranareo azy ka tonga enta-mavesatra entin’ny biby reraka! Miraika sy mangozohozo avokoa izy ireo ka tsy mahavonjy ny entana akory; fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa. Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Israely, ianareo izay noentina hatrany an-kibo sy notrotroina hatramin’ny vao teraka: Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volo anareo dia Izaho ihany no hisahirana hitondra anareo; Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro; eny, Izaho no hitondra sy hanafaka. Hampitovianareo amin’iza moa Aho, ary amin’iza no hanoharanareo Ahy? Iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany Amiko? Mandraraka volamena avy ao an-kitapo izy sady mandanja volafotsy amin’ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra hiankohofany sy hivavahany. Dia batainy iny ka entiny eny an-tsorony ary apetrany eo amin’ny fitoerany. Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny! Na dia misy mitaraina aminy aza dia tsy mahay mamaly izy na mahavonjy azy amin’ny fahoriany. Tsarovy izany ka misehoa ho lehilahy ianareo! Eritrereto tsara izany, ry mpikomy! Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra ka tsy misy tahaka Ahy, izay manambara hatramin’ny voalohany ny zavatra ho avy any aoriana, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory. Ilay miteny hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra. Miantso vorona mpihaza avy any atsinanana Aho, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako. Sady niteny izany Aho no mahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no mahefa azy. Mihainoa Ahy, ianareo tsy laitra anarina, izay lavitra ny fahamarinana! Hampanatoniko ny fahamarinako ka tsy ho lavitra intsony; ary tsy hitaredretra ny famonjeko. Fa hametraka famonjena ao Ziona Aho ary ny voninahitro ho an’ny Israely. Midìna ka mipetraha amin’ny vovoka ry Babilona, zanakavavy virijiny! Mipetraha eo amin’ny tany, nefa tsy amin’ny sezafiandrianana, ry zanakavavin’i Kaldea! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao. Alaivo ny vato fikosoham-bary ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny morontongotr’akanjonao; aoka hiseho ny fenao ka miroboha mita ny ony! Hiseho ny fitanjahanao; eny, ho hita ny fahamenaranao. Hitondra famaliana Aho ka tsy hisy olona hahasakana Ahy. Ny anaran’ny Mpanavotra anay dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Iray Masin’ny Israely. Mipetraha mangingina ka midira ao amin’ny maizina, ry zanakavavin’i Kaldea! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ny fanjakana intsony ianao. Tezitra tamin’ny oloko Aho, navelako holotoina ny lovako ka natolotro ho eo an-tananao izy; tsy mba namindranao fo izy, fa na ny antitra aza dia nasianao zioga tena mavesatra. Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay aho! Tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany. Koa mihainoa ankehitriny, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka miteny anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa! Tsy mba hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan’anaka! Kanjo hanjo anao tampoka ireto zavatra roa ireto, ao anatin’ny indray andro monja, dia ny fahafoanan’anaka sy ny maha mpitondratena; hotanterahina aminao avokoa izany na dia maro aza ny sikidinao, ary na dia be dia be aza ny odinao. Fa nitoky tamin’ny faharatsianao ianao ka niteny hoe: Tsy misy mahita ahy! Nampivily anao ny fahendrenao sy ny fahalalanao ka niteny anakampo ianao hoe: Izaho no izy, tsy misy afa-tsy izaho. Kanjo hanjo anao ny fahoriana nefa tsy ho fantatrao izay fiposahany; hahazo anao ny loza nefa tsy ho hainao sakanana; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana nefa tsy hampoizinao. Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ny sikidinao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely! Angamba hahazo soa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao! Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao; ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. Indro fa ho tahaka ny mololo ireo: Ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo; tsy misy vainafo hamindroana akory; eny, fa na afo hitaninana aza. Ho toy izany no hanjo ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ny fonenany avy izy ka tsy hisy hahavonjy anao! Mihainoa, ry taranak’i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ny anaran’Israely sy avy amin’ny loharanon’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’NY TOMPO ary mahatsiaro ny anaran’Andriamanitry ny Israely, kanefa tsy araka ny marina na araka ny hitsiny! Fa milaza ny tenany ho avy amin’ny tanàna masina izy ka miankina amin’Andriamanitry ny Israely; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny; naloaky ny vavako izany sady nambarako; tampoka no nanaovako izany ary tanteraka ihany. Satria fantatro fa maditra ianao ka hoza-by ny hatokao, ary varahina ny handrinao, dia nambarako taminao hatramin’ny fahiny izany; eny, fony tsy mbola tonga aza izany dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika no nandidy izany. Efa renao ka jereo izany rehetra izany! Moa tsy hanambara izany va ianareo? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao. Vao izao no namoronana azy fa tsy hatramin’ny fahiny dia tsy mbola nandre azy ianao talohan’ny andro androany, fandrao lazainao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany! Fa tsy nandre ianao na nahalala na inona na inona; eny, hatramin’ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao. Fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady nantsoina hoe mpikomy hatrany an-kibo. Noho ny anarako dia mampitony ny fahatezerako Aho; ary mba hiderana Ahy dia manindry fo ny aminao Aho mba tsy hamongorana anao. Indro, nodioviko ianao nefa tsy toy ny volafotsy; nizaha toetra anao tao amin’ny memin’ny fahoriana Aho. Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany. Indrisy, lotoina ny anarako! Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa. Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy ry Israely izay nantsoiko! Izaho; eny, Izaho no voalohany ary Izaho koa no farany. Ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; rehefa antsoiko ireo dia indray miseho avokoa. Mivoria ianareo rehetra ka mihainoa! Iza amin’ireny moa no mba efa nanambara izany? Ilay tian’NY TOMPO no hahefa ny sitrapony amin’i Babilona ary ho amin’ny Kaldeana ny sandriny. Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho ka hambinina ny lalany. Manatòna Ahy ianareo ka mihainoa! Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo zavatra ireo dia teo Aho. Ary ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitra no naniraka Ahy miaraka amin’ny Fanahiny. Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Israely: Izaho, TOMPO Andriamanitrao, no nampianatra anao mba hahitanao soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao. Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao; ho tahaka ny fasika ny taranakao ary ho tahaka ny sombim-pasika ny aloaky ny kibonao; tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany. Mivoaha hiala any Babilona; mandosira avy any amin’ny Kaldeana! Torio amin’ny feo mahafaly ary ambarao, aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany ka lazao hoe: NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony! Tsy nangetaheta ireo tamin’ny nitondrany azy tany an-tany efitra; nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy; eny, nampitresaka ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy NY TOMPO. Mihainoa Ahy, ry nosy! Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra! NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka, hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako. Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ny aloky ny tanany no nanafenany Ahy. Nataony zana-tsipìka voaranitra tsara Aho; teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy. Hoy Izy tamiko: Mpanompoko Ianao, ry Israely ô, izay entiko mampiseho ny voninahitro. Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro. Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko. Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao ary hampody ny Israely sisa voaaro; fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao mba hitondra ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany. Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanavotra ny Israely, dia ny Iray Masiny, amin’Ilay hamavoin’ny olona sy halan’ny firenena ka tonga mpanompon’ny mpanapaka: Hahita ka hitsangana ny mpanjaka, ary ny mpanapaka koa dia hiankohoka noho ny amin’NY TOMPO izay mahatoky, dia ny Iray Masin’ny Israely izay nifidy Anao. Izao no lazain’NY TOMPO: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao; dia hiaro Anao Aho ka hanao Anao ho fanekena ho an’ny olona mba hanangana ny tany indray sy hizara ny fananana izay efa rava; hiteny amin’ny mpifatotra hoe: Mivoaha tao! ary amin’izay ao amin’ny maizina hoe: Misehoa! Hihinana eny an-dalana izy ireo ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany. Tsy ho noana na hangetaheta izy; tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa izay mamindra fo aminy no hitarika azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy. Hataoko tonga lalana ny tendrombohitro rehetra ary hasandratra ny lalambeko. Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ny tany Sinima ireto. Mihobia, ry lanitra! Miravoravoa, ry tany! Velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa NY TOMPO efa nampionona ny olony, mamindra fo amin’ny olony mahantra Izy. Fa hoy i Ziona: NY TOMPO efa nahafoy ahy, efa nanadino ahy ny Tompoko. Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao; ary eo anatrehako mandrakariva ny mandanao. Tamy haingana ny zanakao; ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao. Atopazy manodidina ny masonao ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao. Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, dia hihaingoanao tahaka ny firavaka tokoa ireo rehetra ireo. Hiravahanao tahaka ny fanaon’ny ampakarina izany. Eny, ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’izany, noho ny habetsahan’ny mponina ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao. Ny zanakao izay tsy nanananao teo aloha dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity mikisaha kely mba hitoerako. Dia hiteny anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Izaho anefa tsy mba nanan-janaka sady momba. Babo sady noroahina aho, koa iza no nanabe ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto? Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hanandratra ny tanako any amin’ny Jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako any amin’ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakao vavy dia hoentiny eny an-tsorony. Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO ka tsy hitsanga-menatra izay manantena Ahy. Azo alaina amin’ny mahery va ny babony? Na ho afaka va ny babon’ny marina? Nefa izao no lazain’NY TOMPO: Na dia ny babon’ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ny mpampihorohoro; fa Izaho no hiady amin’izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao. Hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany izay mampahory anao ary ho mamon’ny ran’ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao. Izao no lazain’NY TOMPO: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako ny reninareo? Ary iza amin’izay manan-trosa Amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary noho ny hadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo. Nahoana no tsy nisy olona fony tonga Aho? Nahoana no tsy nisy namaly fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy? Moa tsy manan-kery hoenti-manafaka va Aho? Indro, amin’ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anovako ny ony ho tany efitra; maimbo ny hazandranony noho ny tsy fisian’ny rano, fa matin-ketaheta ireny. Tafiako haizina ny lanitra ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany. NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay. Nanokatra ny sofiko NY TOMPO Andriamanitra ary tsy nanohitra na nihemotra Aho. Natolotro ho amin’ny mpikapoka ny lamosiko ary ny takolako ho amin’izay manongotra ny volombavako. Tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora ny tavako. Nefa NY TOMPO Andriamanitra no namonjy Ahy ka tsy resin-kenatra Aho; efa nohamafisiko ho tahaka ny vatoafo ny tavako ka fantatro fa tsy hitsanga-menatra Aho. Efa akaiky izay manamarina Ahy: Iza no hiady Amiko? Andeha hiara-mitsangana isika! Iza no manana ady Amiko? Aoka izy ho avy eto Amiko. Indro NY TOMPO Andriamanitra no hamonjy ahy, koa iza no hanameloka ahy? Indro izy rehetra dia ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ny kalalao izy. Iza aminareo no matahotra NY TOMPO ka mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina ka tsy manana fahazavana dia aoka izy hatoky ny anaran’NY TOMPO sy hiankina amin’Andriamaniny! E! Ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’afo manodidina anareo, mandehana ao amin’ny fidedadedan’ny lelafonareo sy amin’ny zana-tsipìka misy afo izay narehitrareo! Izany no hanjo anareo avy amin’ny tanako; handry amin’ny fahoriana ianareo! Mihainoa Ahy ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady NY TOMPO! Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny aty lavaka izay nihadiana anareo. Eny, tsarovy i Abrahama rainareo sy i Saraha izay niteraka anareo; fa fony mbola izy irery dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. Fa NY TOMPO mampionona an’i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny tany efitra ao ho tahaka an’i Edena, ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’NY TOMPO. Hafaliana sy haravoana no hita ao, mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana. Mihainoa Ahy, ry vahoakako! Ary atongilano Amiko ny sofinareo ry oloko! Fa hisy lalàna hivoaka avy Amiko; ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. Akaiky ny fahamarinako, efa hiseho ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; Izaho no antenain’ny nosy, ary ny sandriko no andrasany. Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo ary jereo ny tany ambany. Fa ho levona tahaka ny setroka ny lanitra ary ho tahaka ny lamba mangarahara ny tany; ho faty tahaka ny fahafatesan’ny moka ny mponina ao, fa ny famonjeko kosa dia haharitra mandrakizay ary ny fahamarinako dia tsy mba ho rava. Mihainoa Ahy ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao ry firenena izay manana ny lalànako ao am-ponao! Aza matahotra ny latsa ataon’ny zanak’olombelona na manahy noho ny fanaratsiana ataony. Fa hihinana azy tahaka ny fihinany ny lamba ny kalalao ary ny lolo fotsy dia hihinana azy tahaka ny fihinany ny volon’ondry; fa haharitra mandrakizay ny fahamarinako ary ny famonjeko dia hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby. Mifohaza, mifohaza! Ry sandrin’NY TOMPO, ka mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny, dia tamin’ny taranaka taloha ela! Tsy Ianao va Ilay nitetitetika an’i Rahaba sy nitomboka ny dragona? Tsy Ianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny lalina lehibe ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ny olona navotana? Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana. Izaho dia Izaho no mampionona anareo. Koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’olombelona mety maty sy ny zanak’olona izay tahaka ny ahitra ny hanjo azy? Hadinonao angaha NY TOMPO, mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany! Matahotra lalandava ianao mandritra ny andro noho ny fahatezeran’ny mpampahory rehefa mikendry hamono izy. Fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory? Tsy ho ela dia ho afaka izay mitanondrika; tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina. Fa Izaho TOMPO no Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina sy mampirohondrohona ny onjany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no anarako. Nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ny aloky ny tanako no nanaronako anao, Hamelatra ny lanitra sy hanorina ny tany Aho, ary hiteny amin’i Ziona hoe: Oloko ianao! Mifohaza, mifohaza ianao! Mitsangàna, ry Jerosalema ô, ianao izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ny tanan’NY TOMPO; eny, efa nisotro tamin’ny kapoaka mampiraikiraiky ianao ka notrohinao mbamin’ny faikany! Tsy misy mitondra azy ny zanany lahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zanany lahy rehetra izay notezainy. Izao zavatra roa izao no manjo anao: Iza no hampitony ny alahelonao? Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra. Koa hataoko ahoana no fampionona anao? Reraka ny zanakao lahy ka midabodaboka eny an-joron-dalambe rehetra eny, tahaka ny diera ao anatin’ny fandrika harato; eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny teny mafy ataon’Andriamanitrao. Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo, nefa tsy tamin-divay! Izao no lazain’NY TOMPO, ny Tomponao? dia Andriamanitrao izay mandaha-teny hiaro ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotroanao intsony iny! Hataoko eo an-tanan’izay mampahory anao kosa izany, dia ireo izay nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay! Dia nataonao tahaka ny tany ny lamosinao; eny, tahaka ny lalambe ho an’izay mandeha eo. Mifohaza, mifohaza ianao! Tafio ny herinao, ry Ziona ô! Tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto. Ahintsano hiala amin’ny tenanao ny vovoka, ka miarena ary mipetraha, ry Jerosalema ô! Vahao ny fatorana amin’ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo! Fa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, koa tsy vola tsy harena koa ny hanavotana anareo. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tany Ejipta no nidinan’ny oloko tamin’ny voalohany mba hivahiny tany. Nampahory azy tsy amin’antony koa ny Asiriana. Ary ankehitriny, inona no hataoko hoy NY TOMPO, fa nobaboina tsy amin’antony ny oloko? Manakora ny mpanapaka eo aminy, hoy NY TOMPO; ary mandrakariva, mandritra ny andro dia hamavoina ny anarako. Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho! Akory ny hatsaran’ny fandehan’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana, dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena; eny, izay miteny amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao! Injany ny feon’ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita samy imaso ny hiverenan’NY TOMPO ho any Ziona. Velomy ny hobinareo rehetra, ry toerana rava any Jerosalema! Fa NY TOMPO efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’i Jerosalema. NY TOMPO efa nampiseho ny sandriny masina teo imason’ny firenena rehetra; ary ny faran’ny tany rehetra dia hahita ny famonjen’Andriamanitsika. Mialà, mialà ianareo, mivoaha tao! Aza mikasika izay maloto! Mivoaha tao aminy! Midiova ianareo izay mitondra ny fanaky NY TOMPO. Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy amin’ny fandosirana no handehananareo; fa NY TOMPO no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Israely no ho vodilalanareo. Indro, hambinina ny Mpanompoko; hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. Fa toy ny nigagan’ny maro Anao, simba ny tarehiny ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny dia ohatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona. Toy izany no hampitalanjonany ny firenena maro. Hitampim-bava Aminy ny mpanjaka, satria izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO? Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy, sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy Izy; ary raha nijery Azy isika dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fanaintainantsika, kanjo isika kosa dia nihevitra Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra. Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy; Eny, tsy niloa-bava Izy. Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy? Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany, ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy na dia tsy nanao ratsy aza Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO. Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita mazava Izy ka ho afa-po. Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo. Noho izany dia hanome Azy anjara amin’ny maro Aho ary hizara babo amin’ny mahery Izy, satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady nanao fifonana ho an’ny mpanota. Mihobia ianao, ry momba, izay tsy niteraka! Eny, velomy ny hoby ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy NY TOMPO. Halalaho ny itoeran’ny tranolainao ary aoka hohenjanina ny ambaindainao ka aza avela hisy hikentrona! Halavao ny kofehinao ary aoreno mafy ny tsatokan-dainao! Fa hiitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia ianao ary hahazo firenena hafa ny taranakao ka hasiany mponina ny tanàna lao. Aza matahotra fa tsy hitsanga-menatra ianao; ary aza mangaihay fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondro-masonao fony mpitondratena. Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Ny Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao. Andriamanitry ny tany rehetra no anarany. Fa NY TOMPO efa nampody anao, dia ianao izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy. Vadin’ny fahatanorana va dia azo apetraka? hoy Andriamanitrao. Indray mipy maso monja no nahafoizako anao, fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao; tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipy maso monja, fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy NY TOMPO, Mpanavotra anao. Fa Amiko izany dia tahaka ilay ranon’i Noa, koa tahaka ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’i Noa dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho. Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao. Ianao ry ory izay asafotofoton’ny tafio-drivotra sady tsy manana fampiononana! Indro Aho hahatonga ny vatonao hiloko fotsy manopy manga sy hametraka ny fanorenanao amin’ny safira, hataoko robisy ny tilikambo fiambenanao, vato berila ny vavahadinao, ary vatosoa ny faritry ny taninao manodidina. Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’NY TOMPO ka ho be ny fiadanan’ny zanakao. Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao; manalavira ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, ary ny fampihorohoroana tsy hanakaiky anao intsony. Na dia misy miara-mioko hamely anao aza dia tsy avy Amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho lavo noho ny aminao kosa. Indro Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny vainafon’arina ka mahavita fiadiana araka ny asany; Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana azy. Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO. E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena! Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo. Atongilano ny sofinareo ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa dia ho velona ianareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida. Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ny firenena. Indro firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho eo aminao noho ny amin’NY TOMPO Andriamanitrao, ny Iray Masin’ny Israely izay manome voninahitra anao. Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo. Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy. Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; hahavelona hoby eo alohanareo ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny hazo rehetra any an-tsaha dia hitehaka. Haniry ho solon’ny tsilo ny hazo kipreso, ary ho solon’ny sampivato ny mirta; ary ho anarana ho an’NY TOMPO izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. Izao no lazain’NY TOMPO: Tandremo ny rariny ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko ary efa hiseho ny fahamarinako. Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory. Aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’NY TOMPO tsy hiteny hoe: Hesorin’NY TOMPO tsy ho isan’ny olony tokoa aho; ary aoka ny ionòka tsy hiteny hoe: Indro, hazo maina aho! Fa izao no lazain’NY TOMPO: Ny amin’ny ionòka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko, dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ny zanakalahy sy ny zanakavavy; fa anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy. Ary ny hafa firenena izay manaiky ho an’NY TOMPO mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’NY TOMPO mba ho mpanompony, dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady mitana ny fanekeko, dia hoentiko ho any amin’ny tendrombohitro masina ka hampifaliako ao amin’ny tranoko fivavahana; ny fanatitra dorana manontolo atolony sy ny fanatiny hafa alatsa-dra dia hankasitrahana eo ambonin’ny alitarako, satria ny tranoko hatao hoe Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra izay mamory ny Israely voaroaka: Mbola hamory ny sasany ho eo aminy koa Aho, hanampy izay efa voavory ao. E, ianareo bibidia rehetra, avia hihinana, dia ianareo biby rehetra any an’ala! Jamba avokoa ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa izy rehetra ka tsy mahavovò; manonofy izy, eny, mandry ka tia torimaso. Lian-kanina ireny amboa ireny ka tsy mahalala voky. Ireny dia mpiandry tsy mahafantatra na inona na inona. Samy efa nivily ho amin’ny lalany avy izy rehetra, samy mankany amin’ny tombontsoany avokoa izy rehetra. Avia, ianareo, hoy izy ireny, fa haka divay aho, aoka hiboboka toaka isika! Rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany no hataontsika, fa mbola be dia be ny sisa tavela ao! Maty ny marina nefa tsy misy misaina izany; alevina ny olona tsara fanahy nefa tsy misy mihevitra, fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo. Miditra amin’ny fiadanana ary mandry amin’ny fandrianany izay olona mizotra amin’ny lalana mahitsy. Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga! Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fikomiana va ianareo sady taranaky ny lainga? Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo eo amin’ny sampy eny ambanin’ny hazo maitso rehetra ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato. Ary amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao; eny, ireny ihany no anjaranao; Ho an’ireny koa no nandrarahanao fanatitra aidina sy nanoloranao fanatitra dorana manontolo; koa hahatsindry fo amin’izany va Aho? Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandriananao ka teny no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra. Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy. Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra diloilo ka nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nandefa ny irakao hatrany lavitra any ianao, ary nietry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty. Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa tsy niteny ianao hoe: Kivy aho izany! Nahazo aina ihany ianao ka tsy nahatsiaro reraka. Iza ary no nahìnao sy natahoranao no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro Ahy na nisaina akory? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Fa tsy matahotra Ahy ianao. Izaho no hanambara ny fahamarinanao; ary ny asanao dia tsy hahasoa anao. Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina. Hilaza Izy hoe: Mandehana; eny, mandehana ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ny alehan’ny oloko! Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro. Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay, fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny fofonaina izay nataoko. Ny helony noho ny fitiavany harena no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho satria tezitra, nefa nikomy izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany. Efa nahita ny lalany Aho nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy. Izaho no mahary ny vokatry ny molotra. Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky, hoy NY TOMPO! Hahasitrana azy Aho! Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara; eny, tsy mety tafatoetra izy ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro. Ezaho mafy ny antsonao fa aza atao moramora! Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany! Mitady Ahy isanandro isanandro izy, ary ny hahalala ny lalako no sitrany, tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny; manontany Amiko ny fitsipiky ny fahamarinana izy ary maniry hanakaiky an’Andriamanitra. Nahoana izahay no mifady hoy izy nefa tsy hitanao? Nahoana izahay no mampahory ny tenanay nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia mbola ampahorinareo. Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ny ifadianareo ary ny hamely amin’ny totohondrin’ny faharatsiana; izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ny avo. Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako, dia andro hampahorian’ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandrianany va? Moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’NY TOMPO? Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao? Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao no hialoha lalana anao ary ny voninahitry NY TOMPO no ho vodilalanao. Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy, ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao. NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra. Izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, hamboarinao ny naorina hatry ny fony fahagola; ary ianao dia hatao hoe mpanamboatra ny rava, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana. Raha miaro ny tongotrao amin’ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina, ary miantso ny Sabata hoe Fahafinaretana ary nohamasinin’NY TOMPO ka Mendrika hohajaina, sady manome voninahitra azy ka tsy mandeha amin’ny lalanao, na manao izay tianao na miteniteny foana, dia hiravoravo amin’NY TOMPO ianao, ary hasandratro eny amin’ny havoana amin’ny tany ianao, sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao, fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny. Indro, ny tanan’NY TOMPO tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare. Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka tsy mihaino Izy. Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny ra, ary ny rantsantananareo amin’ny heloka; miteny lainga ny molotrareo, ary mibedibedy faharatsiam-panahy ny lelanareo. Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra eo amin’ny fitsarana araka izay tena izy; matoky ny misavorovoro sy miteny zava-poana izy; torontoronina fampahoriana izy ka miteraka loza. Mikotrika atodin’ny menarana izy ary manenona tranon-kala. Ho faty izay homana ny atodin’ireny, fa raha vakina iny dia menarana no miporitsaka avy ao. Ny tranon-kalany dia tsy azo atao fitafiana, ary tsy mahatafy azy ny asany; ny asany dia asa mampahory, ary herisetra no eny an-tanany. Ny tongony dia miriotra ho amin’ny ratsy sy milomay handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany. Tsy fantany ny lalan’ny fiadanana ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; nataony miolakolaka ny lalany, koa na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana. Noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary tsy mahatratra antsika ny fahamarinana; miandry ny mazava isika nefa indro ny maizina, ary miandry ny fahazavana nefa mbola ao amin’ny haizim-pito ihany no andehanantsika. Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika; eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary ao anatin’ny hery sy tanjaka nefa tahaka ny maty. Mierona tahaka ny bera isika rehetra ary mitoloko tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika nefa tsy misy, ary miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany! Fa betsaka eo anatrehanao ny fikomianay ary miampanga anay ny fahotanay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay ary fantatray ny helokay: Fikomiana sy fandavana NY TOMPO, fialana amin’ny fanarahana an’Andriamanitray, teny mampahory sy fikomiana, famoronana sy famoahana teny lainga avy ao am-po. Mihemotra ny rariny ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po. Eny, tsy eo ny fahamarinana ary izay mifady ny ratsy dia manolo-tena hobaboin’ny sasany. Hitan’NY TOMPO ny tsy fisian’ny rariny ka tsy nankasitrahany izany. Eny, hitany fa tsy nisy olona na iray aza, ary talanjona Izy, satria tsy nisy mpanelanelana, koa ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. Niakanjo fahamarinana tahaka ny fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; niakanjo ny akanjo famaliana Izy; eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy. Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ny fahavalony ary famaliana ho an’ny rafiny; ny nosy dia hovaliany tokoa araka ny nataony avy. Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny olona ary ny voninahiny dia hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ny fiaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’NY TOMPO. Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, ho amin’ny taranak’i Jakoba izay miverina avy amin’ny fikomiany, hoy NY TOMPO. Raha Izaho dia izao no fanekeko aminy, hoy NY TOMPO: Ny Fanahiko izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy NY TOMPO. Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitry NY TOMPO no efa miposaka aminao. Fa indro, manarona ny tany ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito; fa aminao kosa no iposahan’NY TOMPO, ary aminao no isehoan’ny voninahiny. Manatona ny fahazavanao ny firenena maro ary mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka. Atopazy manodidina ny masonao ka jereo: Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ny zanakao vavy dia sakelehina. Hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao, fa hoentina ho anao ny harenan’ny ranomasina ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena. Ho feno rameva betsaka ao aminao, dia rameva tanora avy any Midiana sy Efaha; samy avy any Seba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo manitra no hoentiny, ary ny fiderana NY TOMPO no teny mahafaly hambarany. Ny ondry aman’osy rehetra avy any Kedara dia hangonina ao aminao, ary ny ondrilahin’i Nebaiota no hampiasainao; hatao fanatitra eo ambonin’ny alitarako ireo dia hankasitrahana, ary hataoko mamirapiratra ny tranon’ny voninahitro. Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona sy tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny? Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy no hialoha lalana hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Israely, satria manome voninahitra anao Izy. Ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany no hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, nefa amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao. Hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, mba hampidirana ho ao aminao ny harenan’ny firenena sy ny mpanjakany izay voababo. Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, hofongorana ireny firenena ireny. Ho tonga aminao ny voninahitr’i Libanona, ny hazo kipreso sy ny hazo kesika ary ny kirihitra koa dia handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro. Ny zanak’izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao ary hiankohoka amin’ny faladianao izay rehetra nanamavo anao. Ary hiantso anao izy hoe Tanànan’NY TOMPO, Zionan’ny Iray Masin’ny Israely. Ho solon’ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’olona namakivaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao; eny, ho fifaliana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Hinono amin’ny Jentilisa ianao sady hinono amin’ny mpanjaka; dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao. Hahatonga volamena Aho ho solon’ny varahina, ary hahatonga volafotsy ho solon’ny vy; varahina ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato; ny fiadanana no hataoko mpanapaka anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao. Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony ny fampahoriana, na ny fandravana sy ny fandringanana ao amin’ny faritry ny taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao dia hataonao hoe Fiderana. Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao amin’ny andro, ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa NY TOMPO no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary tsy hisoka ny volanao; fa NY TOMPO no ho fanazavana anao mandrakizay. Ho tapitra ny andron’ny falahelovanao. Ho marina avokoa ny olonao rehetra, hanana ny tany ho mandrakizay izy; eny, ho voly maitso eo amin’ny sahako, asan’ny tanako ho fampisehoana ny voninahitro. Ny kely dia ho tonga arivo, ary ny malemy dia ho tonga firenena matanjaka; Izaho TOMPO no hanafaingana izany amin’ny fotoanany. Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava, hitory ny taona ankasitrahan’NY TOMPO sy andro famalian’Andriamanitsika; hampionona ny malahelo rehetra, hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra. Koa hanangana ny efa rava hatry ny fony fahagola izy ary hamboatra ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaoziny indray ny tanàna rava, izay efa lao hatramin’ny taranaka nifandimby. Ho tonga ao ny vahiny ka hiandry ny ondry aman’osinareo, ary ny hafa firenena dia ho mpiasa tany sy ho mpikarakara tanim-boaloboka ho anareo. Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’NY TOMPO; mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo; hohaninareo ny harenan’ny firenena ary ho reharehanareo ny voninahiny. Ny henatrareo dia hosoloana avo roa heny ary ny tondro-maso dia hosoloana hoby amin’ny anjara lovany; noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ny taniny izy ary fifaliana mandrakizay no ho azy. Fa Izaho TOMPO dia tia fitsarana marina; halako ny fandrobana amin’ny faharatsiam-panahy; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. Ho fantatra any amin’ny Jentilisa ny taranany, ary any amin’ny firenena ny terany; izay rehetra mahita azy dia hahafantatra fa taranaka notahin’NY TOMPO izy. Hifaly dia hifaly ao amin’NY TOMPO aho, ho ravoravo ao amin’Andriamanitro ny fanahiko; fa notafiany fitafian’ny famonjena aho ary nampiakanjoiny akanjon’ny fahamarinana, toy ny mpampakatra manao fehiloha tsara tarehy tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina mihaingo amin’ny firavany. Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy teo aminy, dia toy izany no hampisehoan’NY TOMPO Andriamanitra fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra. Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. Hahita ny fahamarinanao ny firenena, ary ny mpanjaka rehetra dia hahita ny voninahitrao; homena anaram-baovao ianao, izay hotononin’ny vavan’NY TOMPO. Dia ho tonga satroboninahitra tsara tarehy eo an-tanan’NY TOMPO ianao ary satroka mpanjaka eo am-pelatanan’Andriamanitrao. Ianao dia tsy hatao intsony hoe Nafoy, ary ny taninao dia tsy hatao intsony hoe Lao, fa ianao dia hatao hoe Ilay ankasitrahako, ary ny taninao dia hatao hoe Vady ampakarina, satria ankasitrahan’NY TOMPO ianao, ary hampakarina ho vady ny taninao. Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijiny ho vadiny no hampakaran’ny zanakao lahy anao; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakariny no hifalian’Andriamanitrao aminao. Nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô; koa na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny. Eny, ianareo izay mpampahatsiaro NY TOMPO, aza mitsahatra! Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an’i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin’ny tany. NY TOMPO efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana, dia tamin’ny sandriny mahery hoe: Tsy homeko hohanin’ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena dia tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao; fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera NY TOMPO; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin’ny kianjako masina. Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady! Amboary ny lalana halehan’ny olona! Totofy tsara ny lalambe, esory ny vato eny aminy! Manangàna faneva ho tazan’ny firenena! Indro, efa nanambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao NY TOMPO hoe: Lazao amin’i Ziona zanakavavy: Indro avy ny famonjena anao; indro ny valim-pitia hatolony dia miaraka Aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. Ary ireny hotononina hoe: Firenena masina, olona navotan’NY TOMPO; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy. Iza moa ity avy any Edoma, avy any Bozra, miakanjo mena midorehitra, mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ny haben’ny heriny? Izaho izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy. Nahoana no mena ny fitafianao, ary tahaka ny an’izay manosihosy ao amin’ny famiazam-boaloboka ny akanjonao? Nanosihosy irery tao amin’ny famiazam-boaloboka Aho fa tsy mba nisy niaraka Tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho ary nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako ka voalotoko ny akanjoko rehetra. Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako ary tonga ny taonan’ny fanavotako. Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy olona hanampy Ahy; ary talanjona Aho, satria tsy nisy olona hanohana Ahy. Koa ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy ary ny fahavinirako no nanohana Ahy. Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho sady nahamamo azy tamin’ny fahavinirako ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany. Ny famindrampon’NY TOMPO no hambarako, dia ny asany mendri-piderana araka izay rehetra nataon’NY TOMPO tamintsika sy ny haben’ny fahasoavana tamin’ny taranak’Israely, dia ny soa nataony taminy araka ny fiantrany sy ny haben’ny famindrampony. Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga! Dia tonga Mpamonjy azy Izy. Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory tokoa Izy, dia ilay Anjely nialoha Azy no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ny andro taloha ela rehetra. Ireo kosa dia nikomy ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina. Dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy. Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, tamin’ny andron’i Mosesy: Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahiny Masina tao aminy? Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy, Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan’ny soavaly any an-tany efitra ka tsy nahatafintohina azy. Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ny Fanahin’NY TOMPO fitsaharana ho azy. Tahaka izany no nitondranao ny olonao mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao. Mitsinjova eny an-danitra ka mijere eny amin’ny fonenan’ny fahamasinanao sy ny voninahitrao: Aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ny kibonao sy ny famindramponao dia voasakana tsy ho amiko. Kanefa Ianao no Rainay, fa tsy mahalala anay i Abrahama ary tsy mahafantatra anay Israely, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay. TOMPO ô, nahoana no nampiala anay hanalavitra ny lalanao Ianao? Sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao! Vetivety foana no nananan’ny olonao masina ny tany; efa nanitsaka ny toeranao masina ny fahavalonay. Efa tonga tahaka izay tsy nanananao fahefana hatrizay hatrizay izahay, sady tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, dia hiempo eo anoloanao ny tendrombohitra; dia tahaka ny fandevon’ny afo ny tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano; mba ho fampahafantarana ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny Jentilisa. Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Ianao dia nidina ka niempo teo anoloanao ny tendrombohitra. Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola nisy nandre, na naheno, na nahita maso, izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy, afa-tsy Ianao. Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao; Indro, tezitra Ianao, ary hita fa meloka izahay; fa tamin’ireo lalana fahiny no namonjena anay. Fa samy tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay rehetra; malazo tahaka ny ravina izahay rehetra ary mipaoka anay tahaka ny rivotra ny helokay. Tsy misy olona miantso ny anaranao na mifoha hifikitra Aminao. Fa efa nanafina ny tavanao taminay Ianao ka nandevona anay noho ny helokay. Nefa ankehitriny TOMPO ô, Rainay Ianao; izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay. Asan’ny tananao izahay rehetra. Aza dia tezitra mafy loatra TOMPO ô, ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; miangavy Anao izahay, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra. Tonga tany efitra ireo tanànanao masina; eny, tonga tany efitra i Ziona ary lao i Jerosalema. Ny tranonay masina sady mendrika, izay nideran’ny razanay Anao, dia voadoron’ny afo, ary rava ny zavatray sarobidy rehetra. Koa mbola mahatsindry fo amin’izany zavatra izany ihany va Ianao, TOMPO ô? Hangina va Ianao ka hampahory anay mafy loatra? Notadiavin’izay tsy naniry Aho ary hitan’izay tsy nitady; hoy Aho tamin’ny firenena izay tsy niantso ny anarako: Inty Aho! Inty Aho! Nanatsotra hatrany ny tanako Aho tamin’ny firenena mpikomy izay mandeha amin’ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany, firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eny amin’ny tanimboly, ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny biriky; mipetraka any amin’ny fasana izy ary mitoetra mandritra ny alina any am-pierena sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron-kena maloto no ao amin’ny loviany. Hoy izy: Mihataha fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina fa tsy ianao. Ireny dia setroka ao am-bavoroko; eny, afo mirehitra mandritra ny andro. Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo; eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy NY TOMPO, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra, ary nihantsy Ahy teny amin’ny havoana; eny, hamatra ny valin’ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha. Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao an-tsampahony ka ataon’ny olona hoe: Aza simbana fa misy fitahiana ao anatiny! Dia toy izany no hataoko noho ny amin’ireo mpanompoko ka tsy hanimba azy rehetra Aho. Hahatonga taranaka avy amin’i Jakoba Aho, ary mpandova ny tendrombohitro avy amin’i Joda; ireo voafidiko no handova azy; eny, ireo mpanompoko no honina ao. Ho tonga fiandrasana ondry i Saròna, ary ho fandrian’omby ny lohasahan’i Akora, ho an’ny oloko izay nitady Ahy. Fa ny aminareo izay mahafoy NY TOMPO sy manadino ny tendrombohitro masina sady mamelatra latabatra ho an’i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ, dia hotendreko ho voan’ny sabatra ianareo ka hahohoka hovonoina avokoa, satria niantso Aho nefa tsy namaly ianareo, niteny Aho nefa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy teo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo. Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho mosarena; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho main-tenda; indro, hifaly ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia hitsanga-menatra; indro, hihoby ny mpanompoko noho ny haravoan’ny fo, fa ianareo kosa dia hitoloko noho ny alahelom-po, ary hidradradradra noho ny fahoriam-panahy. Hamela ny anaranareo ho fanozonana amin’ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao NY TOMPO Andriamanitra. Fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao; koa izay miarahaba tena etỳ ambonin’ny tany dia hanao izany amin’ny anaran’Andriamanitry ny Amena ary izay mianiana etỳ ambonin’ny tany dia hianiana amin’Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha sady voafina izany ka tsy hitan’ny masoko. Fa indro Aho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao; tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho tonga ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa, ary miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho ary ho ravoravo amin’ny oloko; tsy ho re any intsony ny feo mitomany sy ny feo mitaraina. Ary tsy hisy ao intsony ny zaza minono fohy andro, ary tsy hisy lahiantitra izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota izay mahatratra zato taona dia ho toy ny voaozona. Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tanany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka. Fa taranak’izay notahin’NY TOMPO ireo, ary ho ao aminy koa ny taranany. Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy dia hihaino Aho. Hiara-komana ny amboadia sy ny zanak’ondry, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona, ary ny menarana dia vovoka no ho fihinany; tsy handratra na hanimba manerana ny tendrombohitro masina izy, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako? Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany. Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy sy handatsahako ny fahatahorany ho ao aminy, satria niantso Aho nefa tsy nisy namaly; niteny Aho nefa tsy nihaino izy fa nanao izay ratsy teo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidiny. Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo izay mangovitra noho ny teniny. Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ny anarako: Aoka hampiseho ny voninahiny NY TOMPO, mba ho hitanay ny fifalianareo! Kanefa izy ireny kosa no hitsanga-menatra. Injany misy horakoraka avy any an-tanàna, misy feo avy ao amin’ny tempoly. Feon’NY TOMPO izany, mamaly ny ataon’ny fahavalony Izy. Mbola tsy nihetsi-jaza aza izy dia efa niteraka; mbola tsy nanaintaina aza izy dia efa niteraka zazalahy. Iza no nandre zavatra toy izany? Iza no nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va? Hisy firenena azo atao indray miteraka va? Fa raha vao nihetsi-jaza i Ziona dia efa velon-jaza. Moa hahatonga vehivavy ho eo amin’ny fiterahana va Aho ka tsy hampiteraka azy? Hoy NY TOMPO; Izaho izay nampiteraka va no hanakana izany indray? Hoy Andriamanitrao. Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ary miravoravoa aminy, ianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy, mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ny nonony mahafaly; eny, mba higoka ianareo ka hiravoravo amin’ny haben’ny voninahiny. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena, ho tahaka ny renirano tondraka. Hampinonoana ianareo; ary hosakelehina ianareo sady horotsirotsina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo. Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo, ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo; ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy. Fa indro NY TOMPO ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo. Fa ny afo no hoentin’NY TOMPO mitsara, ary amin’ny sabany no hitsarany ny nofo rehetra; ho maro ny voaringan’NY TOMPO. Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka mifandimby mankeo afovoany ary mihinana henan-kisoa sy zava-betaveta ary totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy NY TOMPO. Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro. Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy. Hitondra ny rahalahinareo rehetra avy any amin’ny Jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy, mitaingin-tsoavaly sy anaty kalesy sy filanjana izy, ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha, ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy NY TOMPO; tahaka ny fitondran’ny Zanak’Israely ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ao anatin’ny lovia madio ho any amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary avy amin’ireo aza no hakako ho mpisorona sy levita, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko ka haharitra eo anatrehako, hoy NY TOMPO, dia toy izany no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo. Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra, hoy NY TOMPO. Ary rehefa hivoaka izy ireny dia hahita ny fatin’ny olona izay efa nikomy Tamiko; fa tsy ho faty ny kankany, tsy hovonoina ny afony, ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy. Ny tenin’i Jeremia, zanak’i Hilkia, isan’ny mpisorona tao Anatota, tao amin’ny tanin’ny Benjamina. Izany tenin’NY TOMPO izany dia nampitondraina an’i Jeremia tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona fahatelo amby folo nanjakany, sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro. Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. Fa hoy NY TOMPO tamiko: Aza miteny hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy ianao; fa momba anao Aho ka hamonjy anao, hoy NY TOMPO. Dia nanatsotra ny tanany NY TOMPO ka nanendry ny vavako ary hoy NY TOMPO tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy fanjakana maro mba hanongotra sy hanjera, handrava sy handrodana, ary hanorina sy hamboly. Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko. Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe: Inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Vilany mangotraka no hitako ary mitongilana avy any avaratra ny vavany. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy NY TOMPO; dia ho tonga ka samy hametraka ny sezafiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa, hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ny asan’ny tanany. Fa ianao kosa dia misikìna ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra azy ireo, fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. Indro, ianao dia hataoko ho toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. Fa hiady aminao ireny nefa tsy hahaleo anao satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy NY TOMPO. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Mandehana ka miantsoa eo anatrehan’i Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tsaroako ny niraiketan’ny fonao Tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-tany efitra, teny amin’ny tany tsy mbola namafazan-javatra; Masina ho an’NY TOMPO ny Israely sady santa-bokatra ho Azy; izay rehetra nihinana azy dia nohelohina ary loza no nanjo ireny, hoy NY TOMPO. Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry taranak’i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ny taranak’Israely! Izao no lazain’NY TOMPO: Inona moa no tsy marina hitan’ny razanareo Tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka zava-poana ka nanjary zava-poana koa izy? Tsy mba nilaza izy hoe: Aiza NY TOMPO izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitarika antsika tany an-tany efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’olona akory na nonenan’olona? Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko sady nataonareo fahavetavetana ny lovako. Tsy mba niteny ny mpisorona hoe: Aiza NY TOMPO? Ary tsy nahalala Ahy ny mpitahiry ny lalàna; nanota Tamiko koa ny mpitondra, ary naminany tamin’ny anaran’ny Baala ny mpaminany ka nanaraka ireny tsy nahavita na inona na inona ireny. Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy NY TOMPO, ary hiady amin’ny zafinareo koa. Fa mità ho any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima ka zahao! Ary mandefasa iraka ho any Kedara ka diniho tsara, dia ho hitanareo raha mba efa nisy toy izao, na tsia: Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa dia efa nanakalo ny voninahiny tamin’ireny tsy mahasoa ireny. Talanjòna amin’izany, ry lanitra! Ary matahora ka mangorohoroa fatratra, ianareo! Hoy NY TOMPO; Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharano velona, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano. Moa mpanompo va Israely? Moa mpanompo teraka tao an-trano va izy? Koa nahoana izy no voababo? Hamely azy no mampierona ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao; nodorana ny tanànany ka tonga tsy nisy mponina. Ny mponina tao Nofa sy Tapanesa aza dia nampangadihady ny tampon-dohanao. Moa tsy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao? Koa inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Ejipta hisotro ny ranon’i Sihora? Ary inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Asiria hisotro ny rano amin’ny ony Eofrata? Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fikomianao no ananarana anao; koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ny tahotrao Ahy, Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao. Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy namahanao ny fatoranao ka hoy ianao: Tsy hanompo intsony aho; nefa teny amin’ny tendrombohitra avo sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra no nandrianao sy nijangajanganao. Nefa Izaho namboly anao toy ny karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; koa nahoana no nanjary sampany ratsy ianao, ary tonga voaloboka hafa? Fa na dia misasa amin’ny sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany, sy ry borikidia vavy, tamana any an-tany efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; koa iza no mahasakana ny fahamaimaizany? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; fa amin’ny volana fahamaimaizany no hahitany azy. Mitandrema! Fa ho afaka amin’ny tongotrao ny kapanao, ary ho maina ny tendanao; nefa hoy ianao: Tsy manantena inona aho! Tsia! Fa ny vahiny no tiako ka hanaraka azy aho. Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely, eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ary ny mpaminaniny, dia izay miteny amin’ny tapa-kazo hoe: Ianao no raiko, ary amin’ny vato hoe: Ianao no niteraka ahy. Fa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika ny tavako; nefa amin’ny andro fahoriany dia hiteny indray izy hoe: Mitsangàna ka vonjeo izahay! Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao ireny? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao; fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao. Nahoana no mifandahatra Amiko ianareo? Fa samy efa nikomy Tamiko ianareo rehetra, hoy NY TOMPO. Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; ny sabatrareo no nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira. Ry taranaka ankehitriny, dinihonareo ny tenin’NY TOMPO! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ny Israely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no miteny hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany Aminao intsony? Hanadino ny firavany va ny virijiny, na hanadino ny fehikibony misy haingony va ny ampakarina? Tsy hita isa anefa ny andro nanadinoan’ny oloko Ahy. Kanto izany fandehanao hitady fitia izany ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao. Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny, izay tsy tratranao namaky ny tranonao akory, nefa novonoinao ka voan’ny rany ianao. Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho ka ho afaka amiko ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny ilazanao hoe: Tsy nanota aho. Nahoana ianao no maimaika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’i Ejipta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’i Asiria. Hiala amin’izany koa ianao ka hiloloha tanana; fa nolavin’NY TOMPO ny zavatra maro nitokisanao ka tsy hahomby miaraka amin’ireo ianao. Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala Ravehivavy ka lasa vadin’olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va Ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, moa hahazo miverina Amiko indray va ianao? Hoy NY TOMPO. Andrandrao amin’ny tendrombohitra mangadihady ny masonao ka jereo: Taiza no tsy nandrian’olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-tany efitra; ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany. Voasakana noho izany ny orana mivatravatra sady tsy tonga ny orana amin’ny lohataona; fa ny handrinao dia handrin’ny vehivavy janga ka tsy manaiky ho menatra ianao. Moa tsy hitaraina Amiko va ianao amin’izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô! Ianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora? Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatramin’ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany. Hoy NY TOMPO tamiko tamin’ny andro nanjakan’i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’Israely mpikomy? Niakatra ho eny amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny. Nataoko fa hiverina Amiko izy rehefa avy nanao izany rehetra izany, kanjo tsy niverina izy. Ary i Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany. Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Israely mpikomy ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangany dia tsy nety natahotra i Joda mpivadika rahavaviny fa nandeha nijangajanga koa. Nandoto ny tany avy tamin’ny horakoraky ny fijangajangany izy ary nijangajanga tamin’ny vato aman-kazo. Nefa tamin’izany rehetra izany dia tsy nety niverina Tamiko tamin’ny fony manontolo i Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ny fihatsarambelatsihy ihany, hoy NY TOMPO. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Israely mpikomy dia hita fa marimarina kokoa noho i Joda mpivadika. Mandehana ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Israely mpikomy, hoy NY TOMPO; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho, fa mamindra fo Aho, hoy NY TOMPO, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay. Kanefa kosa, ekeo ny helokao, fa tamin’NY TOMPO Andriamanitrao no nikomianao. Nivezivezy nankany amin’ny hafa ianao teny ambanin’ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy NY TOMPO. Miverena, ry zaza mpikomy, hoy NY TOMPO, fa Izaho ihany no Tomponareo. Hakako iray isan-tanàna ianareo ary roa isam-pokony ka hoentiko ho any Ziona. Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko, izay hitondra anareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena, ianareo. Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo dia amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no tsy hitenenany intsony ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary tsy hosaintsaininy akory izany sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanamboatra vata hafa. Amin’izany andro izany no hanononana an’i Jerosalema hoe sezafiandrianan’NY TOMPO; hivory any ny Jentilisa rehetra noho ny anaran’NY TOMPO any Jerosalema, ary tsy handeha araka ny ditran’ny fo ratsiny intsony izy. Amin’izany andro izany, ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely, dia hiara-mandeha ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy, ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany. Ary Izaho efa niteny hoe: E! Fa hataoko isan’ny zanako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena rehetra. Eny, hoy Aho: Hiantso Ahy hoe Raiko ianao ka tsy hiala amin’ny fanarahana Ahy. Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ny sakaizany, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala Tamiko, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO. Injany misy feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana sy fitarainan’ny Zanak’Israely; fa nivilivily tamin’ny nalehany izy ary nanadino NY TOMPO Andriamaniny. Miverena ianareo, ry zaza mpikomy, fa hositraniko ny fikomianareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao, RY TOMPO, no Andriamanitray. Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely. Fa lanin’ny henatra hatramin’ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ny razanay, dia ny ondry aman’osiny sy ny ombiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Aoka handry ao amin’ny henatray izahay, ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’NY TOMPO Andriamanitray no efa nanotanay, dia izahay sy ny razanay, hatramin’ny fahazazanay ka mandraka androany, sady tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay. Raha hiverina ianao, ry Israely, dia miverena Amiko, hoy NY TOMPO; ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao ka tsy hivezivezy foana, fa hianiana amin’ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa NY TOMPO dia handray fitahiana avy Aminy ny firenena sady afaka hirehareha ny Aminy. Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny olon’ny Joda sy Jerosalema: Miasà tany vao ho anareo ianareo fa aza mamafy amin’ny tsilo. Miforà ho an’NY TOMPO ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny ratsy ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy afaka hamono azy. Ambaraonareo ao amin’ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka lazao hoe: Tsofy ao amin’ny tany ny anjomara! Miantsoantsoa mafy ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra amin’ny tanàna mimanda! Manangàna faneva manandrify an’i Ziona; mandosira haingana, aza mijanona; fa Izaho hahatonga loza avy any avaratra, dia fandringanana be. Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ny fitoerany hahafoana ny taninao ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina. Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo ka mitomania sy midradradradrà; fa tsy afaka amintsika ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO. Ary amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ho kepoka ny mpisorona ary ho gaga ny mpaminany. Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ny nilazanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; kanjo mihatra amin’ny aina ny sabatra. Amin’izany andro izany dia holazaina amin’ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-tany efitra hankany amin’ny oloko, zanako vavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana. Fa izany dia rivotra mahery izay nirahiko avy amin’ireny, ary ankehitriny kosa dia hifandahatra aminy Aho. Indro, avy toy ny rahona izy, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady, haingana noho ny voromahery ny soavaliny. Lozantsika! Fa lany ringana isika. Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy mba hamonjena anao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao? Fa injany misy feo manambara avy any Dana ary misy filazam-pahoriana avy amin’ny tany be havoana any Efraima. Lazaonareo amin’ny firenena, torio amin’i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ny Joda. Manodidina an’i Jerosalema ireo toy ny fanaon’ny mpiandry saha, fa nikomy Tamiko izy, hoy NY TOMPO. Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; izany no vokatry ny faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ny ainao. Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady. Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; rava tampoka ny tranolaiko, eny, rava indray mipy maso monja ny ambaindaiko. Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva sy handrenesako ny feon’anjomara? Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; raha ny hanao ratsy dia kinga izy; fa ny hanao soa kosa dia tsy fantany. Nojereko ny tany ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, indro, tsy teo intsony ny fahazavany. Nojereko ny tendrombohitra ka indro, nihorohoro izy, ary nihozongozona ny havoana rehetra. Nojereko ka indro, tsy nisy olona, ary efa nandositra ny voromanidina rehetra. Nojereko ka indro, Karmela aza dia tonga tany efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’NY TOMPO, teo anoloan’ny firehetan’ny fahatezerany. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy akory. Noho izany dia hisaona ny tany ary ho tonga mainty ny lanitra ambony satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany. Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia mandositra avokoa ny tanàna rehetra; mitsofoka any anatin’ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; lao avokoa ny tanàna rehetra ka tsy misy mponina intsony ao. Ary hanao inona ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, dia foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; hanifika anao ireo lehilahy tia anao ka ny ainao aza dia hotadiaviny. Fa efa nandre feo tahaka ny an’ny vehivavy eo am-piterahana aho sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny voalohan-janany, dia ny feon’i Ziona zanakavavy izay misefosefo sy mamelatra ny tanany no sady miteny hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ireo mpamono olona. Mandehandehana eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo ka zahao sy fantaro ary tadiavo eny amin’ny kianja, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’i Jerosalema. Ary na dia misy aza miteny hoe: Raha velona koa NY TOMPO dia fianianana mandainga izany. TOMPO ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Ianao, nefa tsy nahatsiaro narary izy; nandripaka azy Ianao, nefa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina Taminao izy. Dia hoy aho hoe: Olona mahantra ireto; adala izy fa tsy mahalala ny lalan’NY TOMPO, na ny fitsipik’Andriamaniny; Aleoko mandeha ho any amin’ny lehibe ka hiteny aminy; fa ireny dia mahalala ny lalan’NY TOMPO sy ny fitsipik’Andriamaniny; kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy namaha fatorana. Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ala ary mandringana azy ny amboadia avy any an-tany efitra; miandry hamely ny tanànany ny leoparda, koa izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fikomiany. Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka nianiana tamin’izay tsy Andriamanitra; novokisako izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohotra niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga. Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’izay tiany, samy naneno tamin’ny vadin’ny namany avy. Tsy hovaliko va izy amin’izany? Hoy NY TOMPO; ary tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany? Miakara ao amin’ny tanim-boalobony ianareo ka poteho, nefa aza dia levonina avokoa izy; esory ny rantsany satria tsy an’NY TOMPO ireny. Fa efa nivadika Tamiko mihitsy ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, hoy NY TOMPO. Nahafoy NY TOMPO izy ireo ka niteny hoe: Tsy Izy no izy; tsy hisy loza hanjo antsika ary tsy hahita sabatra na mosary isika. Hanjary rivotra ny mpaminany ary tsy hisy ny teny ao aminy, eny, izany no hanjo azy. Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Noho ny nitenenanareo izany teny izany dia indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao ary ho kitay hazo ity firenena ity ka holevoniny. Indro, hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, dia firenena tsy mety resy, firenena hatry ny ela, firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny sady tsy ho azonao izay lazainy. Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa. Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, hohaniny ny ondry aman’osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao sady horavany amin’ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao. Nefa na dia amin’izany andro izany aza, hoy NY TOMPO, dia tsy holevoniko avokoa ianareo. Ary raha hoy ianareo: Nahoana NY TOMPO Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamanitra hafa teo amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo. Ambarao ao amin’ny taranak’i Jakoba, ary torio ao amin’ny Joda hoe: Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre: Izaho va tsy atahoranareo? Hoy NY TOMPO; tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako izay nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony ihoarana? Koa na dia mitopatopa aza ny onjany dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza dia tsy mahahoatra azy. Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy mikomy; mikomy izy dia lasa nandeha, ary tsy miteny anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika izay mandatsaka ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana amin’ny fotoanany avy; ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika. Ny helokareo no nampikorontana izany ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. Fa ratsy fanahy maro no hita ao amin’ny oloko; mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, manao vela-pandrika izy ka olona no azony. Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy. Mihamatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy; tsy mety mitsara ady izy mba hahazoan’ny kamboty ny rariny, kanefa mahomby ihany amin’ny ataony, ary tsy mba jereny ny zon’ny mahantra. Tsy hampamoahiko amin’izany va izy? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany? Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ny tany; maminany lainga ny mpaminany, manapaka araka izay atoron’ireny ny mpisorona, ary mankasitraka izany ny oloko; koa hanao ahoana re ianareo amin’ny ho avy? Mandosira haingana hiala an’i Jerosalema, ianareo zanak’i Benjamina! Tsofy ao Tekoa ny anjomara ka manangàna famantarana ao Bety-Hakerema; fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra. Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia i Ziona zanakavavy. Ao aminy no alehan’ny mpiandry ondry sy ny ondriny; haoriny manodidina azy ny tranolainy ka samy handany ny ao akaikiny avy izy. Miomàna ianareo hanao ady masina hamelezana azy; mitsangàna ka andeha isika hamely azy antoandrobenanahary. Lozantsika! Fa lasan-davitra ny andro, ary efa mandroso ny aloky ny hariva. Mitsangàna ka andeha isika hanao latsaka alina ary aoka horavantsika ny lapany. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io ilay tanàna hovaliana, fa feno fampahoriana ny ao anatiny. Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; herisetra sy fandravana no re ao aminy; eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana. Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao hiala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy azo onenana. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka. Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora ka tsy mahahaino izy. E! Ny tenin’NY TOMPO dia fahafaham-baraka ho azy ireo ka tsy ankamamìny. Fa feno ny fahatezeran’NY TOMPO aho ka tsy zakako tsindriana intsony izany! Aidino amin’ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ny andian-jatovo izany; fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, na ny antitra sy efa ela niainana koa. Ho lasan’ny sasany ny tranony mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; fa hatsotrako amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako, hoy NY TOMPO. Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa. Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana! Kanjo tsy misy fiadanana akory! Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany, koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy; amin’ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO: Mijanòna eo an-dalana ianareo ka zahao ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela: Aiza izay lalana mankany amin’ny tsara? Iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo; nefa hoy izy ireo: Tsy hizotra amin’iny izahay. Ary nasiako mpitily teo aminareo hiteny hoe: Henoy ny feon’ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay. Koa henoinareo, ry Jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy. Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; fa tsy nihaino ny teniko izy ary nolaviny ny lalànako. Nahoana Aho no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba sy veromanitra avy any amin’ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo manontolo ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hasiako fahatafintohinana eo amin’ity firenena ity ka samy ho tafintohina amin’izany ny ray mbamin’ny zanany; ho faty ny mpiaramonina mbamin’ny namany. Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, misy firenena avy any amin’ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany. Tsipìka sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina ary mitaingin-tsoavaly izy sady voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy. Renay ny lazany ka miraviravy tanana izahay; fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana. Aza mandeha ho any an-tsaha ary aza mankeny amin’ny lalambe; fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampihorohoroana avy amin’ny manodidina. Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao ary mihosena lavenona ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana. Ho mpizaha toetra ao amin’ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba hahafantaranao sy hizahanao toetra ny alehany. Tena mpikomy maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy olona; varahina sy vy izy; samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra. May ny tafoforana, levon’ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan’ny mpandrendrika, nefa tsy voaisotra ny ratsy. Ataon’ny olona hoe volafotsy tsy ilaina izy satria tsy ilain’NY TOMPO. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: Mijoroa eo am-bavahadin’ny tranon’NY TOMPO, ary torio eo izao teny izao ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry Joda rehetra izay miditra amin’ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo. Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’NY TOMPO, tempolin’NY TOMPO, tempolin’NY TOMPO ity! Fa raha ahitsinareo tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, raha mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo, ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, na mandatsaka ran’ny tsy manan-tsiny amin’ity tany ity sady tsy manaraka andriamanitra hafa hahatonga loza aminareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ihany ianareo, eto amin’ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ny ela ka ho mandrakizay. E! Ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa akory izany. Hay! Hangalatra sy hamono olona ary hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny Baala sady hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo? Nefa mbola avy miseho eto anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka miteny hoe: Efa voavonjy izahay ka izany no nanaovanay ireo fahavetavetana rehetra ireo! Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy NY TOMPO. Fa mandehana ianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ny Israely oloko. Koa ankehitriny, hoy NY TOMPO, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny taminareo nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho nefa tsy novalinareo, koa dia ho toy ny nataoko tamin’i Silo no hataoko amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy hataoko amin’ny toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo; ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima rehetra. Koa aza mivavaka ho an’ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona Amiko, fa tsy hihaino anao Aho. Tsy hitanao va ny ataon’ireo any an-tanànan’ny Joda sy any an-dalamben’i Jerosalema? Manangona kitay ny ankizy, mandrehitra afo ny rainy, ary mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra ny vehivavy. Manolotra fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa izy ireo mba hampahasosotra Ahy. Moa Izaho va no ampahasosorin’ireo, hoy NY TOMPO, fa tsy ny tenany ihany ka hampahamenatra ny tavany? Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako dia haidina amin’ity tany ity, dia amin’ny olona sy ny biby fiompy, amin’ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; dia hirehitra izany ka tsy ho faty. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Aoka ny fanatitra dorana manontolo ho naman’ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, koa mihinàna hena. Fa tsy niteny na nandidy momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa tamin’ny razanareo Aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa. Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny fa nandeha tamin’ny fisainany sy ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika Ahy. Hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo avy tany amin’ny tany Ejipta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha vao maraina isanandro Aho ka naniraka azy mandrakariva. Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao izay ratsy mihoatra noho ny razany aza. Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo dia tsy hihaino anao izy; ary na dia antsoinao aza izy dia tsy hamaly anao. Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sady tsy mino anatra; very ny fahamarinana fa tsy eo am-bavany intsony. Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fisaonana any an-tendrombohitra mangadihady satria lavin’NY TOMPO sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy. Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’i Joda, hoy NY TOMPO, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy. Ary izy dia nanorina ireo toerana fanaovana sorona any Tofeta izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo; nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany. Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hiantsoana azy intsony hoe Tofeta na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasahan’ny famonoana olona kosa; ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ny tany. Ary ny fatin’ity firenena ity dia ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ka tsy hisy hanaitaitra azy. Dia hatsahatro any an-tanànan’ny Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina; fa ho lao ny tany. Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ny mpanjakan’ny Joda, ny taolan’ny lehibeny, ny taolan’ny mpisorona, ny taolan’ny mpaminany ary ny taolan’ny mponina any Jerosalema, ka haeliny eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ny lanitra izay tiany sy notompoiny, izay narahiny sy notadiaviny ary niankohofany teo anatrehany. Tsy hangonina na halevina intsony ireny fa hatao zezika eny ambonin’ny tany. Ary ny sisa rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Lazao aminy koa hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina? Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no mikomy ka tsy mety mitsahatra mihitsy? Mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ka tsy mety miverina. Nihaino Aho ka nandre fa milaza teny tsy marina izy. Ary tsy misy manenina ny amin’ny haratsiany hoe: Inona ity nataoko ity! Izy rehetra dia samy mivily eny am-pandehanany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin’ny ady. Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO. Ahoana no itenenanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalànan’NY TOMPO? Nefa ny fanoratan-daingan’ny mpanoradalàna no mahatonga azy ho lainga. Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra izy, voasambotra izy; indro, nolaviny ny tenin’NY TOMPO, koa inona intsony no fahendrena ananany? Noho ireo dia homeko ho an’ny hafa ny vadiny ary ho an’izay maka azy ny sahany, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena; na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa. Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana! Kanjo tsy misy fiadanana akory! Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany. Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO. Hojinjaiko avokoa izy rehetra, hoy NY TOMPO; tsy mamoa ny voaloboka ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny ary nanendry izay hanitsakitsaka azy Aho. Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda ka ho faty ao; fa efa nanendry antsika ho faty NY TOMPO Andriamanitsika ka nanome rano misy poizina hosotrointsika noho ny nanotantsika tamin’NY TOMPO. Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; ary andro fanasitranana, kanjo indro fampatahorana. Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; fa avy izy ka handany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao. Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon’ody ka hanaikitra anareo ireny, hoy NY TOMPO. Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko. Injany! Misy feo fitarainan’ny oloko zanakavavy avy any amin’ny tany lavitra hoe: Moa tsy ao Ziona intsony va NY TOMPO? Ary tsy ao aminy intsony va ny mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy tamin’ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ny zava-poana avy amin’ny firenena hafa ireny? Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika. Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy; misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy. Moa tsy misy balisama va any Gileada? Moa tsy misy mpitsabo va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy? Enga anie ka ho feno rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko mba hitomaniako andro aman’alina ireo voavono amin’ny oloko zanakavavy! Enga anie aho ka hahita fitoerana any an-tany efitra tahaka ny olona mpandeha lavitra! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy ireo. Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy tamin’ny fahamarinana no nahazoany hery etỳ ambonin’ny tany; fa mandroso amin’ny ratsy kokoa hatrany izy ary tsy mba fantany Aho, hoy NY TOMPO. Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa ary ny namana rehetra dia mandehandeha manaratsy olona. Samy mamitaka ny namany avy izy rehetra ka tsy misy milaza ny marina; mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa tena amin’ny fanaovan-dratsy. Ny fonenanao dia ao anatin’ny fitaka; fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy NY TOMPO. Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; fa ahoana no hataoko manoloana ny oloko zanakavavy? Zana-tsipìka mahafaty ny lelany fa miteny fitaka; raha amin’ny vavany dia miteny fihavanana amin’ny namany izy, kanjo ny ao anatiny kosa dia manao otri-po. Tsy hovaliko va izy amin’izany zavatra izany? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany? Noho ny amin’ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradradrako, ary noho ny amin’ny kijana any an-tany efitra no hanaovako hira falahelovana, satria may izy ka tsy misy olona mandeha eo intsony, ary tsy re intsony ny feon’ny andian’ondry, ary na ny voromanidina na ny biby dia samy efa nandositra ka lasa avokoa. Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ny amboadia; ary ny tanànan’ny Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina. Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao? Iza no efa nitenenan’ny vavan’NY TOMPO mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny tany efitra ka tsy misy olona mandeha eo intsony? Ary hoy NY TOMPO: Satria nahafoy ny lalànako izay nataoko teo anoloany izy; satria tsy nihaino ny feoko izy ary tsy nankatò izany, fa nandeha araka ny ditran’ny fony sy nanaraka ireo Baala araka izay nampianarin’ny razany azy, dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity ary hampisotroiko rano misy poizina. Haeliko any amin’izay Jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mihevera tsara ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana ireny mba ho avy; eny, ampanantsoy ireny vehivavy mahay ireny mba ho tonga. Ary asaivo tonga haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika mba hampijohy ny ranomasontsika sy handatsaka ny ranomaso avy amin’ny hodimasontsika. Fa misy feo midradradradra re avy any Ziona hoe: Indrisy! Rava isika; afa-baraka indrindra isika satria tsy maintsy mamoy ny tany fa efa narodana ny trano nitoerantsika. Nefa mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy. Fa efa nananika ny varavarankelintsika ny fahafatesana ka niditra tao an-dapantsika mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe, ary ny zatovo tsy ho eny amin’ny kianja malalaka. Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hiampatrampatra ny fatin’ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ny mpijinja, izay tsy misy manangona azy. Izao no lazain’NY TOMPO: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, aoka ny manankarena tsy hirehareha amin’ny hareny. Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora, dia i Ejipta, i Joda, i Edoma, ny taranak’i Amona ary Moaba mbamin’izay rehetra mihety volombava, izay monina any an-tany efitra; fa ny Jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’Israely rehetra kosa dia tsy voafora fo. Henoy ny teny izay lazain’NY TOMPO aminareo, ry taranak’Israely! Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mianatra ny fanaon’ny Jentilisa; aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra; fa ny Jentilisa no matahotra izany. Fa ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana; hazo nokapaina tany an’ala ireny, asan-tanan’ny mpahay taozavatra amin’ny famaky; volafotsy sy volamena no andravahany azy ary fantsika sy maritoa no entiny manamafy azy mba tsy hihetsiketsehany. Toy ny tsangankazo voaravaka izy fa tsy mahateny, entina foana izy fa tsy mba afa-mandeha; ary aza matahotra azy fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa. Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô; lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao. Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena! Fa mendrika Anao izany, fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena sy amin’ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao. Fa kentrina sy adala avokoa izy rehetra. E! Zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany. Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza izany, asan-tanan’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy volamena; lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; asan’ny manan-talenta izy rehetra. Fa NY TOMPO no Andriamanitra marina, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay, izay mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany ka tsy tantin’ny firenena ny fahavinirany. Izao anefa no holazainareo amin’ireny: Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra. NY TOMPO no nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany. Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany. Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy. Zava-poana ireny, dia asan-tanana mahatsikaiky sy tsinontsinona; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba; fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Israely no firenena lovany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Angony ny korontan’entanao hiala amin’ny tany, ry ilay mipetraka anatin’ny fahirano! Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’antsamotady ny mponina amin’ny tany, ary hotereko ao anatin’ny fahirano izy mba tsy hisokatra ny masony. Lozako! Torotoro aho! Tsy azo sitranina ny feriko; nefa hoy aho hoe: Anjara fahoriako izao ka hozakaiko ihany. Rava ny tranolaiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; lasa ny zanako ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny tranolaiko intsony na hanenjana ny ambaindaiko. Fa efa tonga kentrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady NY TOMPO; izany no tsy mahahendry azy ka miely ny ondry andrasany rehetra. Injany misy resaka mandeha hoe: Indro, tamy amin’ny fihorakorahana be avy any amin’ny tany avaratra izy mba hahatonga ny tanànan’ny Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia. TOMPO ô, fantatro fa tsy miankina amin’ny olombelona ny lalan-kalehany, ary tsy miankina amin’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. TOMPO ô, anaro aho, nefa araka ny fitsaranao ihany fa tsy amin’ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho. Aidino amin’ny Jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; fa mandripaka an’i Jakoba ireo, eny, mandripaka sy mandringana azy, eny mandrava ny fonenany. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: Mihainoa ny tenin’izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema. Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’izao fanekena izao, dia izay nandidiako ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, izay avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, ka nilazako hoe: Mihainoa ny feoko ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo mba hotanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho hoe: Amena, RY TOMPO ô! Ary hoy NY TOMPO tamiko: Torio any an-tanànan’ny Joda sy any an-dalamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany ka lazao hoe: Henoy ny tenin’izao fanekena izao ary ankatoavy izany. Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany; eny, nifoha vao maraina Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko. Nefa tsy nihaino izy ireo na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy ireo. Koa nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’izao fanekena izao, dia ilay nasaiko nataony nefa tsy nataony. Ary hoy koa NY TOMPO tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema. Fa izy dia niverina nankany amin’ny heloky ny razany izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamanitra hafa izy ka nanompo azy. Nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin’ny razany, ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hahatonga loza aminy, izay tsy azony andosirana Aho; ary na dia hitaraina Amiko aza izy dia tsy hihaino azy Aho. Dia handeha ny tanànan’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ireny andriamaniny izay efa nandoroany ditin-kazo manitra ireny; nefa tsy hahavonjy azy akory ireny amin’ny andro fahoriany. Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo ho an’ilay mampahamenatra, dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny Baala. Koa aza mivavaka ho an’ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; fa amin’ny andro izay hitarainany Amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho. Hanao inona ao an-tranoko ny malalako? Efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ny maro izy. Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra? Raha azon-doza ianao, mifalia ary! Hazo oliva maitso sady misy voany tena tsara endrika no nataon’NY TOMPO anaranao. Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy ary nokapaina ny rantsany. Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy, dia tamin’ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny Baala. Nampahafantarin’NY TOMPO aho ka nahalala; nasehonao ahy tamin’izany ny fanaony. Fa izaho dia tahaka ny zanak’ondry bonaika izay entina hovonoina; ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbaintsika ny hazo mbamin’ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy mba tsy hotsarovana intsony ny anarany. Nefa, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo, aoka ho hitako ny famalianao azy; fa Aminao no efa nanankinako ny adiko. Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka miteny hoe: Aza maminany amin’ny anaran’NY TOMPO, fandrao matin’ny tananay ianao. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hovaliako izy ka ho fatin-tsabatra ny zatovo ary ho fati-mosary ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Tsy hisy hiangana izy, fa hahatonga loza amin’ny mponina ao Anatota Aho amin’ny taona hamaliana azy. Raha mifandahatra aminao aho, TOMPO ô, dia Ianao no marina; nefa aoka ihany kosa aho mba handahatra Aminao: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpikomy rehetra? Nambolenao izy ka mamaka; mitombo izy ka mamoa; manakaiky Anao amin’ny vavany izy nefa manalavitra Anao amin’ny fony. Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ahy; mahita ahy Ianao sady mizaha toetra ny foko, fa ao Aminao izy. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny ary atokàny ho amin’ny andro hamonoana azy. Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany sy hahalazoan’ny ahitra eny amin’ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; fa hoy ireo: Tsy mba mahita izay hoavintsika Izy. Raha niara-nihazakazaka tamin’izay mpandeha an-tongotra ianao ka tsy naharaka azy dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ny tany mandry fahalemana ihany no anananao toky dia hanao ahoana kosa ianao, raha tonga any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana? Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ny rainao aza dia samy namitaka anao; eny, niantso mafy tao aoriananao ireo. Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy ireo. Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; ny sombin’aiko dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony. Amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any anaty ala; mierona Amiko izy ka halako. Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo Amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia ka angony ny bibidia rehetra, ampanatony ireny hihinana. Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra. Nataony lao izany, eny, lao izy ka nitomany teo anatrehako; nataony lao avokoa ny tany rehetra satria tsy nisy nandatsaka am-po. Ny mpandrava dia tonga any amin’ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-tany efitra; fa misy sabatry NY TOMPO mandringana hatrany amin’ny faran’ny tany ka tsy misy fiadanana ho an’ny nofo rehetra. Vary no nafafiny, nefa tsilo no nojinjainy; nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very maina izany; dia hangaihay noho ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo firenena ratsy fanahy rehetra mifanakaiky sisintany amin’ny oloko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ny Israely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ny taniny ireo ary ny taranak’i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy. Nefa nony efa voaongotra izy dia hamindra fo aminy indray Aho ka samy hoentiko mody any amin’ny lovany sy ny taniny avy indray izy. Koa raha mba nianatra ny fanaon’ny oloko tokoa ireo ary hianiana amin’ny anarako hoe: Velona NY TOMPO, tahaka ny nampianaran’ireo ny oloko hianiana amin’ny Baala, dia haorina ao amin’ny oloko izy. Fa raha tsy hankatò kosa izy dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy NY TOMPO. Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Andeha mividy fehikibo lamba rongony ho anao ka afehezo amin’ny kibonao fa aza alona ao anaty rano. Dia nividy fehikibo aho araka ny tenin’NY TOMPO ka namehezako ny kiboko. Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe: Ento ny fehikibo izay novidinao, dia ilay amehezanao ny kibonao, ka mitsangàna, mankanesa any ony amin’ny Eofrata ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izany. Dia nandeha aho ary nafeniko tao amoron’ny ony Eofrata izany, araka ny nandidian’NY TOMPO ahy. Nony afaka andro maro dia hoy NY TOMPO tamiko: Mitsangàna ka mankanesa any amin’ny ony Eofrata ary alao any ny fehikibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany. Dia nankany amin’ny ony Eofrata aho ka nikaroka sy naka ilay fehikibo tao amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro, simba ilay fehikibo ka tsy misy ilàna azy intsony. Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ny Joda sy ny haben’ny avonavon’ny Jerosalema. Ity firenena ratsy ity izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony ka manaraka andriamanitra hafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehikibo ity ka tsy azo atao na inona na inona intsony. Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny andilan’ny olona no nampiraiketako ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda rehetra tamiko, hoy NY TOMPO, mba ho oloko, ho laza sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny, kanjo tsy nety nihaino izy. Ary lazao aminy izao teny izao: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary raha miteny aminao izy hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra? Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko leo ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema. Ary hampifamotehiko izy, dia ny ray mbamin’ny zanany, hoy NY TOMPO; tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy. Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; fa NY TOMPO no miteny. Manomeza voninahitra NY TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny haizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo; fa amin’izany, raha miandry ny mazava ianareo dia hataony tonga aloky ny fahafatesana izany ka hampodiny ho haizim-pito. Fa raha tsy hihaino izany ianareo dia hitomany any amin’ny mangingina aho satria misy fiavonavonana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso hijononoka be satria voababo ny ondrin’NY TOMPO. Lazao amin’ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ny tany fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satroboninahitrareo tsara tarehy. Voarindrina ny tanàna any Negeva ka tsy misy mamoha; lasan-ko babo i Joda manontolo, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. Atopazy ny masonareo ka tazano izay avy any avaratra; aiza ny andian’ondry izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy? Ahoana re no holazainao raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, nefa ianao izao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny an’ny vehivavy miteraka? Ary raha miteny anakampo ianao hoe: Ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ny helokao no nampiaingana ny morontongotr’akanjonao sy nandratrana ny voditongotrao. Moa mahova ny hodiny va ny Kosita? Ary mahova ny sorany va ny leoparda? Toy izany koa, moa mahay manao ny tsara va ianareo izay efa zatra nanao izay ratsy? Koa dia haeliko toy ny vodivary indaosin’ny rivotra avy any an-tany efitra izy. Izany no anjara azonao tamin’ny antsapaka, dia anjara voarefy ho anao, avy Amiko hoy NY TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ny lainga. Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr’akanjonao ho eny amin’ny tavanao mba hisehoan’ny henatrao. Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan’ny fijejojejoanao any amin’ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hanadio ny tenanao? Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia noho ny hain-tany. Misaona ny Joda ary mivalaketraka ny tanànany; mitafy lamba fisaonana izy ka mipetraka amin’ny tany; ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema. Maniraka ny madinika hantsaka rano ny lehibeny; dia tonga any amin’ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra siny tsy misy rano; menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha. Noho ny fangentan’ny tany, noho ny tsy nilatsahan’ny ranonorana taminy dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha. Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, rehefa miteraka, dia mandao ny zanany noho ny tsy fisian’ny ahi-maitso. Ary mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady ny borikidia, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; jambena ny masony noho ny tsy fisian’ny ahitra. TOMPO ô, na dia miampanga anay aza ny helokay dia miasà ihany Ianao noho ny anaranao; fa be ny fikomianay; taminao no nanotanay. Ry fanantenan’ny Israely ô, mpamonjy azy amin’ny andro fahoriana! Nahoana Ianao no dia toy ny vahiny amin’ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja? Nahoana Ianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Ianao, RY TOMPO ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; aza dia mandao anay. Izao no lazain’NY TOMPO amin’ity firenena ity: Tiany ny mirenireny ka tsy mahajanona ny tongony; tsy sitraky NY TOMPO izy. Ankehitriny dia tsaroany ny helony ary valìny ny fahotany. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hahasoa azy. Fa na dia mifady hanina aza izy dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; ary na dia manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza izy dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy. Dia hoy aho hoe: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indreo ny mpaminany miteny aminy hoe: Tsy hiharan’ny sabatra ianareo ary tsy ho mosarena; fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ity toerana ity ianareo. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo. Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay maminany amin’ny anarako ireo, nefa tsy nirahiko akory, ary milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo. Ary ny firenena izay aminanian’ireo koa dia hiely eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra ny fatiny ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy; haidiko ao aminy ny faharatsiany. Koa lazao aminy izao teny izao: Hijononoka andro aman’alina ny ranomasoko ka tsy hitsahatra; fa ny oloko, zanakavavy virijiny, dia naratra mafy tokoa tamin’ny kapoka tena maharary. Raha mankany an-tsaha aho dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany ka tsy mahalala na inona na inona. Efa narianao tokoa va i Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Ziona? Nahoana no dia mikapoka anay Ianao ka tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita soa; ary niandry andro fanasitranana, nefa indro fampitahorana. TOMPO ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay fa efa nanota Taminao izahay. Noho ny amin’ny anaranao dia aza arianao izahay; aza atao ho tsinontsinona ny sezafiandrianan’ny voninahitrao; tsarovy ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay. Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ny Jentilisa ireny? Na koa mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Ianao ihany va no Izy, RY TOMPO Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Ianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo. Hoy NY TOMPO tamiko: Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mijoro eto anatrehako dia tsy hankasitraka ity firenena ity Aho; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy. Ary raha toa izy ka miteny aminao hoe: Hiala hankaiza ary izahay? Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izay ho amin’ny fahafatesana dia ho amin’ny fahafatesana, izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra, izay ho amin’ny mosary dia ho amin’ny mosary, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana. Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy NY TOMPO: Dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina ary ny bibidia hihinana sy handany; Ary ataoko ho fampangovitana ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy noho ny amin’i Manase, zanak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema. Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsapa alahelo anao? Iza no hivily hanantsafa anao? Ianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy NY TOMPO; koa atsotrako kosa ny tanako hamely anao, ary efa mandringana anao Aho satria efa sasatra ny manenina. Ary kororohiko amin’ny fikororohana any amin’ny vavahadin’ny tany izy; ary vonoiko ny zanany, eny, aringako ny oloko, nefa tsy mety miala amin’ny fanaony ihany izy mba hiverenany. Ny mpitondratenany dia mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra. Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menatra sy mangaihay izy; ary izay sisa eo aminy dia hatolotro ho voan’ny sabatra eo anoloan’ny fahavalony, hoy NY TOMPO. Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy izay lehilahy ilàna ady sy fifandirana eny amin’ny tany rehetra! Tsy nisambo-bola aho, ary tsy nisy nisambo-bola tamiko, nefa dia ozonin’ny olona rehetra ihany aho. Dia hoy NY TOMPO: Ny hahasoa anao ihany no nanafahako anao; hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ny andro hahitan-doza sy amin’izay andro mahory. Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina? Ny fanananao sy ny harenanao ao anatin’ny faritaninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao; ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin’ny tany tsy fantatrao izany; fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako ka handoro anareo no irehetany. Ianao no mahalala, TOMPO ô, tsarovy aho ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; aza dia mandefitra aminy Ianao, fandrao ho afaka ny aiko; aoka ho fantatrao fa noho ny Aminao no nitondrako latsa. Hitako ireo teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô. Izaho dia tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tananao ahy satria nofenoinao fahatezerana aho. Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako? Nahoana no marary ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny ranotrambo va Ianao, dia rano tsy azo itokiana? Koa izao no lazain’NY TOMPO: Raha miverina ianao dia horaisiko indray ka hitsangana eo anatrehako; ary raha manavaka ny zava-tsoa amin’ny zava-poana ianao dia ho solom-bavako; hanatona anao indray ireny; fa tsy ianao no hanatona azy. Ary hataoko fefy varahina matevina ho fiarovana ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy nefa tsy hahaleo anao; fa momba anao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy NY TOMPO. Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpampahory. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Aza manambady ianao, ary aoka tsy hanana zanakalahy na zanakavavy amin’ity tany ity. Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin’ity tany ity sy ny amin’ny reniny izay niteraka azy ary ny amin’ny rainy izay niteraka azy amin’ity tany ity koa: Ho fatin’ny aretina izy, nefa tsy hisaonana na halevina fa ho zezika eny ambonin’ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy ka ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ny fatiny. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy NY TOMPO, dia ny famindrampo sy ny fiantrana. Ho faty na ny lehibe na ny kely amin’ity tany ity; samy tsy halevina na hisaonana izy, tsy hitetehan’ny sasany tena, na hihetezany volo koa Ary tsy hisy hamahan-kanina azy ao amin’ny fisaonany mba hampionona azy ny amin’ny maty; ary tsy hisy hampisotro azy amin’ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny. Ary aza miditra ao amin’ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina. Ary raha ambaranao amin’ity firenena ity izany teny rehetra izany ka hoy izy aminao: Nahoana NY TOMPO no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay? Ary inona no fahotana izay nanotanay tamin’NY TOMPO Andriamanitray? Dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy, hoy NY TOMPO, noho ny nanarahany andriamanitra hafa, noho ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalànako. Ary ny tenanareo koa dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny razanareo. Fa e ianareo samy mandeha araka ny ditran’ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy! Dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo ho any amin’ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; any no hanompoanareo andriamanitra hafa andro aman’alina satria tsy hamindra fo aminareo Aho. Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hilazana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta; fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy; eny, hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy. Indro, haniraka mpanarato maro Aho, hoy NY TOMPO, izay hanarato azy; ary rehefa afaka izany dia haniraka mpihaza maro Aho, izay hihaza azy any amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato. Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, tsy miafina amin’ny tavako izany, ary tsy takona amin’ny masoko ny helony. Alohan’izany anefa dia hovaliko avo sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin’ireo fatin’ny sampiny sy fahavetavetany ireo. TOMPO ô, Ianao no heriko sy fialofako ary fandosirako amin’ny andro fahoriana! Ho tonga eo aminao ny Jentilisa avy any amin’ny faran’ny tany ka hiteny hoe: Eny tokoa, lainga no nolovan’ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa. Moa mahay manao andriamanitra ho an’ny tenany va ny olona? Tsy andriamanitra ireny. Koa indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko ka ho fantany fa NY TOMPO no anarako. Ny fahotan’ny Joda dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ny vato fisaka sy eo amin’ny tandroky ny alitarany izany, dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny tsangakazon-tsampin’ny Aserahany, akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny vohitra avo. Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny harenanao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny toerana fanaovanao sorona koa aza noho ny fahotana tao anatin’ny faritaninao rehetra. Avy aminao ihany no mahatonga anao hamoy ny lova izay nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany izay tsy fantatrao ianao; Eny, ny afo izay narehitrareo tamin’ny fahatezerako dia hirehitra mandrakizay. Izao no lazain’NY TOMPO: Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin’NY TOMPO ny fony. Fa ho tahaka ny anjavidy any an-tany ngazana izy ka tsy mba hahita ny soa, na dia avy aza izany; fa honina any amin’ny tany karankaina any an-tany efitra izy, dia any amin’ny tanin-tsira izay tsy azo onenana. Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany. Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy hay sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho TOMPO no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany. Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Hilaozan’izany eo antenantenan’androny izy; ho lasa adala no hiafarany. Sezafiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ny voalohany ny fitoera-masintsika. Ry TOMPO, fanantenan’ny Israely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao ary hosoratana amin’ny vovoka izay miala Aminao satria efa nahafoy NY TOMPO, loharano velona izy. TOMPO ô, sitrano aho dia ho sitrana; vonjeo aho dia ho voavonjy fa Ianao no fiderako. Indro, ireo dia miteny amiko hoe: Aiza ny tenin’NY TOMPO? Aoka ho tanteraka izany. Fa tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao aho; tsy niriko ny andro hiavian’ny loza, eny, fantatrao izany; izay nivoaka avy tamin’ny molotro dia miharihary eo anatrehanao. Aoka tsy ho fampatahorana ahy Ianao! Fialofako amin’ny andro fahoriana Ianao! Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa aoka kosa aho tsy mba ho menatra; aoka hivadi-po ireo, fa aoka kosa aho tsy mba hivadi-po; ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy. Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Mandehana ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ny mpanjakan’ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema ka lazao amin’ny olona hoe: Henoinareo, ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ireto vavahady ireto. Izao no lazain’NY TOMPO: Mitandrema ianareo ka aza mitondra entana amin’ny andro Sabata ary aza mampiditra entana amin’ny vavahadin’i Jerosalema; aza mitondra entana mivoaka avy amin’ny tranonareo amin’ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo. Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra. Fa raha mihaino Ahy tokoa ianareo, hoy NY TOMPO, ka tsy mampiditra entana amin’ny vavahadin’ity tanàna ity amin’ny andro Sabata ary tsy manao raharaha amin’izany andro izany, izay mpanjaka na mpanapaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanàna ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka, ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity. Ary ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’ny Joda, ny manodidina an’i Jerosalema sy ny tanin’ny Benjamina, ny avy any Sefela sy ny tany havoana ary ny avy any Negeva ka hitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ditin-kazo mani-pofona, ary hitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ny vavahadin’i Jerosalema ihany amin’ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: Mitsangàna ka midìna ho any amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga; any no hampandrenesako anao ny teniko. Dia nidina tany amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga aho ary indro, teo am-panaovana ny asany teo amin’ny milina fanodinana izy. Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy. Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely. Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy; kanefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko izany dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezana azy. Ary mbetika kosa Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa haoriko sy hamboleko; nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavana azy. Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, mamorona loza hihatra aminareo Aho ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo. Nefa hoy ireo: Tsy misy fanantenana ho anay! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay; eny, samy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy izahay rehetra. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Anontanio any amin’ny Jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon’Israely virijiny. Hitsahatra tsy ho eo amin’ny vatolampy any an-tsaha va ny orampanalan’i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin’ny tany hafa? Fa efa nanadino Ahy ny oloko, koa ho an’ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; ary nahatafintohina azy teo amin’ny lalany ireny, dia ny lalana efa hatramin’ny fahagola ka nandehanany amin’ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ny lalana tsy voavoatra. Izany no nahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; izay rehetra mandalo azy dia gaga sy mihifikifi-doha. Toy ny fampielin’ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan’ny fahavalony; hiamboho azy Aho fa tsy hanatrika azy, amin’ny andro hahitany loza. Hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ny mpisorona, na ny tolo-tsaina avy amin’ny hendry, na ny teny avy amin’ny mpaminany. Aoka hoenti-mamely azy ny lelantsika ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny. Mihainoa ahy, TOMPO ô; ary mihainoa ny tenin’izay miady amiko. Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy. Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ny herin’ny sabatra izy ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; ary aoka haripaky ny aretina ny lehilahy lehibe ao aminy ary ho fatin-tsabatra amin’ny ady ny zatovony. Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranony rehefa mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Ianao; fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro. Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; aza avela ny helony; ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; mameleza azy amin’ny andro fahatezeranao. Izao no lazain’NY TOMPO: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà zokiolona amin’ny vahoaka sy zokiolona amin’ny mpisorona, dia mankanesa any amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izay eo anoloan’ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hahatonga loza amin’ity tanàna ity Aho ka izay mandre izany dia hangintsina ny sofiny, satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ny andriamanitra hafa izay tsy fantany akory, ary tsy fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ny Joda izy. Efa nameno ity tanàna ity tamin’ny ran’ny tsy manan-tsiny izy ary nanorina toerana fanaovana sorona ho an’ny Baala mba handoroany ny zanany ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Baala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza. Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hanaovana ity toerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tanan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia. Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra ka izay rehetra mandalo azy dia ho figagana sady hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy. Ary hampihinaniko ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy izy ao anatin’ny fahirano sy amin’ny fahaverezan-kevitra, izay haneren’ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy. Dia torotoroy eo imason’ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny tsy fisian’ny toeran-kafa handevenana intsony. Dia toy izany no hataoko amin’ity tanàna ity sy amin’izay mponina ato; hatao tahaka an’i Tofeta ity tanàna ity, hoy NY TOMPO. Ary ny tranon’i Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony, ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra, sady nanidinany fanatitra aidina ho an’izay andriamanitra hafa. Ary i Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan’NY TOMPO azy haminany; nitsangana teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO izy ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hataoko mihatra amin’ity tanàna ity sy amin’ny vohitra miankina aminy rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafisany ny hatony tsy nihainoany ny teniko. Ary i Pasora, zanak’Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany, dia namely tehamaina an’i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin’ny boloky hazo izay teo am-bavahadin’i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan’ny tranon’NY TOMPO. Nony ampitso dia nesorin’i Pasora tamin’ny boloky hazo i Jeremia. Dia hoy i Jeremia taminy: Tsy nataon’NY TOMPO hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-Misabiba. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra. Ary ny harena rehetra amin’ity tanàna ity, ny vokatry ny fisasarany rehetra, ny zava-tsoany rehetra ary ny harenan’ny mpanjakan’ny Joda rehetra, dia samy hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony ka hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babilona. Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babilona ianao ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga. TOMPO ô, notaominao aho ka voataona; nosamborinao aho ka resinao; tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; izy rehetra dia maneso ahy. Fa na oviana na oviana no itenenako dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’NY TOMPO dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro. Raha hoy aho: Tsy hanonona Azy intsony aho na hiteny amin’ny anarany intsony, dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko izany, voahidy ato amin’ny taolako ary sasatra ny miaritra aho ka tsy mahazaka. Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro, misy fampangorohoroana manodidina, torio, eny, hotorìntsika koa izy; izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy, dia horesentsika sy hovalìntsika. Kanefa NY TOMPO dia momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra; ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; ho menatra indrindra izy satria tsy hambinina. Henatra mandrakizay tsy hohadinoina izany! Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko. Mihirà ho an’NY TOMPO, miderà NY TOMPO; fa mamonjy ny mahantra amin’ny tanan’ny mpanao ratsy Izy. Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahìna anie ny andro izay niterahan’Ineny ahy! Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin’Ikaky hoe: Tera-dahy ianao! Ary nahafaly azy indrindra izany. Aoka ho toy ny tanàna izay noravan’NY TOMPO izany lehilahy izany ka tsy nanenenany; aoka handre fitarainana izy nony maraina ary akora lava nony mitataovovonana, satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy mba hahatonga an’Ineny ho fasako ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony. Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo ka ho lany amin-kenatra ny androko? Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malkia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hilaza hoe: Miangavy anao aho, manontania amin’NY TOMPO ho anay; fa miady aminay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona; angamba NY TOMPO hiteny aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ireo aminay. Dia hoy i Jeremia taminy: Lazaonareo amin’i Zedekia hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo izay entinareo miady eny ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilona sy amin’ny Kaldeana izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ity tanàna ity ireo. Ary Izaho no hiady aminareo amin’ny tanana mitsotra sy amin’ny sandry mahery ary amin’ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra. Hamely ny mponina amin’ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: Ho fatin’ny areti-mandringana izy. Ary rehefa afaka izany, hoy NY TOMPO, i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony mbamin’ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary amin’ity tanàna ity, dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona sy eo an-tanan’ny fahavalony ary eo an-tanan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo fa tsy hitsitsy, na hiantra azy, na hamindra fo aminy. Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana: Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona ka ny ainy no ho babony. Fa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy NY TOMPO; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona izy ka hodorany amin’ny afo. Henoy ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny. Ry taranak’i Davida, izao no lazain’NY TOMPO: Manaova fitsarana marina isa-maraina ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona norobaina, fandrao hivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary hirehitra ka tsy hisy hahavono noho ny ratsy ataonareo. Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy NY TOMPO, dia ianareo izay milaza hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra atỳ amin’ny fonenanay? Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy NY TOMPO, ary handrehitra afo ao amin’ny alany ka handevona ny manodidina azy rehetra izany. Izao no lazain’NY TOMPO: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda ka lazao any izao teny izao hoe: Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda, izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahady ireto: Izao no lazain’NY TOMPO: Manaova fitsarana marina ianareo ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona voaroba; aza mampahory na mampidi-doza amin’ny vahiny, ny kamboty sy ny mpitondratena, ary aza mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity. Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo dia hisy mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida hiditra amin’ity vavahady ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo dia ny tenako no ianianako, hoy NY TOMPO, fa ho lao tokoa ity trano ity. Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny: Amiko ianao dia tahaka an’i Gileada sy ny tampon’i Libanona, nefa hataoko tonga tany efitra sy tanàna tsy onenana. Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, ary samy hitondra ny fiadiany avy izy; dia hokapain’ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo. Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity ka samy hiteny amin’ny namany avy hoe: Nahoana NY TOMPO no dia nanao izao tamin’ity tanàna lehibe ity? Dia izao no ho valiny: Noho ny nahafoizany ny faneken’NY TOMPO Andriamaniny sy ny niankohofany tamin’ny andriamanitra hafa sy ny nanompoany ireny. Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany. Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Saloma, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an’i Josia rainy, izay efa niala tamin’ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo, ary tsy hahita ity tany ity intsony. Lozan’izay manorina ny tranony amin’ny tsy rariny sy ny rihany ambony amin’ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, nefa tsy mandoa ny karamany, sady miteny hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy efitrano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko menamena. Mpanjaka va ianao ka ataonao be sedera noho ny an’ny sasany ny tranonao? Tsy nihinana sy nisotro va ny rainao? Nefa nanao fitsarana marina izy! Nambinina izy tamin’izany. Nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy; nambinina izy tamin’izany. Tsy izany va no fahalalana Ahy? Hoy NY TOMPO. Nefa tsy misy alehan’ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny. Ary noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Ny olona dia tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! Na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona dia tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! Na: Indrisy ny voninahiny! Halevina toy ny fandevina boriky izy ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema. Miakara any Libanona ka miantsoantsoa mafy; asandrato any Basana ny feonao ary miantsoantsoa mafy avy eny Abarima, fa ringana avokoa ireo tia anao. Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko. Hopaohin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra, ary ho lasan-ko babo ireo tia anao, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra. Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ny sedera, indrisy ny fisentoanao, rehefa hiharan’ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ny vehivavy eo am-piterahana! Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, na dia ho peratra fitombo-kase amin’ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao ka hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainao sy eo an-tanan’izay atahoranao, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo amin’ny tanan’ny Kaldeana. Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo ka any no hahafatesanareo. Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany. Moa va ity lehilahy Jekonia ity dia vilany efa fanary sy efa torotoro, na fanaka tsy misy ilàna azy intsony no dia nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ny tany tsy fantany? Ry tany! Ry tany! Ry tany! Henoy ny tenin’NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO: Soratinareo ho tsy manan-taranaka ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ny androny; fa tsy hisy amin’ny taranany izay hambinina ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, na hanapaka ao amin’ny Joda intsony. Lozan’ireo mpiandry ondry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy NY TOMPO. Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ireo mpitondra izay miandry ny oloko: Efa nampihahaka ny ondriko sy nandao azy ianareo, fa tsy nikarakara azy; koa indro, hovaliako ianareo noho ny ratsy nataonareo, hoy NY TOMPO. Ary hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy Aho ka hampodiko ho any amin’ny saha niandrasana azy izy dia hitombo sy hihamaro. Ary hanendry mpitondra ho azy Aho ka ireo no hiandry azy; ary tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy NY TOMPO. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hananganako Solofo marina ho an’i Davida, koa hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana marina amin’ny tany. Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Israely fehizay; ary izao no anarany izay hanononana Azy: NY TOMPO no fahamarinantsika. Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hitenenana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta! Fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny taranak’Israely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; dia honina ao amin’ny taniny izy. Ny amin’ireo mpaminany: Montsamontsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra; toy ny olona mamo aho ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina. Fa feno mpijangajanga ny tany; ary noho ny ozona no isaonan’ny tany; efa maina ny kijana any an-tany efitra; ary efa ratsy ny fanaon’ny olona sady ny tsy fahamarinana no heriny. Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy NY TOMPO. Koa ho toy ny lala-malama amin’ny haizim-pito ny lalany; hifanosika izy ka ho potraka ao; fa hahatonga loza aminy Aho amin’ny taona hamaliana azy, hoy NY TOMPO. Ary tamin’ny mpaminanin’i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’ny Baala izy ka nampivily ny Israely oloko. Ary tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina: Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ny mpanao ratsy ka samy tsy misy miala amin’ny faharatsiany avy; eny, izy rehetra, Amiko, dia tonga tahaka an’i Sodoma, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora. Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy ary hampisotroiko rano misy poizina, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa mamitaka anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO. Sahy milaza amin’izay manamavo Ahy izy hoe: NY TOMPO no nilaza hoe: Hahita fiadanana ianareo; ary izay rehetra mandeha araka ny ditran’ny fony dia ilazany hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo. Fa iza moa no efa isan’ny mpihevitra teo amin’NY TOMPO ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny Taminy ka nihaino ny teniny? E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. Ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra raha tsy efany sy tanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany. Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho kanefa naminany ihany izy. Fa raha isan’ireo nandray torohevitra Tamiko izy dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko ka namerina azy hiala tamin’ny lalany ratsy sy tamin’ny ratsy nataony. Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? Hoy NY TOMPO, fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? Moa misy olona afaka miafina any amin’ny toerana fierena va ka tsy ho hitako? Hoy NY TOMPO. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? Hoy NY TOMPO. Efa reko ny nolazain’ny mpaminany izay naminany lainga tamin’ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho. Mandra-pahoviana no hiheveran’ireo mpaminany ireo hilazany lainga sy haminaniany araka ny fitaky ny fony ka hampanadino ny oloko ny anarako amin’ny nofiny izay lazainy amin’ny namany avy, toy ny nanadinoan’ny razany ny anarako noho ny amin’ny Baala? Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa inona moa izay mololo raha oharina amin’ny vary? Hoy NY TOMPO. Tsy tahaka ny afo va ny teniko? Hoy NY TOMPO, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va? Koa indro, fa hasiako ny mpaminany, izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy, hoy NY TOMPO. Indro, hoy NY TOMPO, Izaho no hamely ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe avy Amiko izany. Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy NY TOMPO, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa tsy naniraka azy na nandidy azy Aho tsinona, koa dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy ireny, hoy NY TOMPO. Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona ka miteny hoe: Inona indray no enta-mavesatry NY TOMPO? Dia teneno aminy hoe: Ianareo no enta-mavesatra ka hariako ianareo, hoy NY TOMPO. Ary raha misy miteny ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, dia hoteneniko izany olona izany mbamin’ny ankohonany. Samia manontany amin’ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’NY TOMPO? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO? Fa ny hoe ny enta-mavesatry NY TOMPO dia tsy hotononinareo intsony; fa ny tenin’ny olona tsirairay ihany no ho enta-mavesatry ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitsika. Izao no hanontanianareo amin’ny mpaminany: Ahoana no navalin’NY TOMPO anao? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO? Fa raha hoy ianareo: Enta-mavesatry NY TOMPO, dia izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, nefa efa nandefasako iraka ihany ianareo ka nilazako hoe: Aza miteny izany hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO izany, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako; ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny henatra mandrakizay izay tsy hohadinoina. Nasehon’NY TOMPO tamiko fa indreo, nisy aviavy roa sobika voapetraka teo anoloan’ny tempolin’NY TOMPO, taorianan’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babilona. Ny sobika iray dia nisy aviavy tena tsara, dia toy ny aviavy voaloham-bokatra; ary ny sobika iray kosa dia nisy aviavy izay tena ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy aho hoe: Aviavy. Ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny. Ary tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ity tany ity ho any amin’ny tanin’ny Kaldeana. Fa hotsinjovin’ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy fa tsy horavako; hamboleko izy fa tsy hongotako. Ary homeko fo hahalalany Ahy ho NY TOMPO izy; dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina Amiko amin’ny fony manontolo izy. Ary ny amin’ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’NY TOMPO: Toy izany no hanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ny tany Ejipta, eny, hatolotro ho fampangovitana sy ho loza any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany izy, ho fandatsa sy oha-pitenenana ary ambentinteny sy fanozonana any amin’ny tany rehetra izay handroahako azy. Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritra azy tsy ho amin’ny tany izay nomeko azy sy ny razany. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia ny amin’ny Joda rehetra tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia izay nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’ny Joda rehetra sy tamin’ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe: Hatramin’ny taona fahatelo amby folo nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, dia telo amby roapolo taona izao, no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha vao maraina aho ka nilaza nefa tsy nihaino ianareo. Ary NY TOMPO naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe: Samia ianareo miala amin’ny lalan-dratsinareo avy sy amin’ny ratsy fanaonareo, dia honina any amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay. Ary aza manaraka andriamanitra hafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan’ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho. Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tananareo ianareo dia nahita loza. Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko dia indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko, hoy NY TOMPO, ary hoentiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako toy ny zavatra voaozona tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay. Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro. Ary ity tany manontolo ity dia ho foana sy ho lao, fa ireto firenena rehetra ireto dia hanompo ny mpanjakan’i Babilona fitopolo taona. Rehefa tapitra ny fitopolo taona, hoy NY TOMPO, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’i Babilona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay. Ary hotanterahiko amin’izany tany izany ny teniko rehetra izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity, izay nambara tamin’i Jeremia mpaminany hoenti-mamely ny firenena rehetra. Fa ireo kosa indray dia hanompo firenena maro sy mpanjaka lehibe maro; ary hovaliako araka ny nataony sy araka ny asan’ny tanany avy izy. Fa izao no nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoakan-divain’ny fahatezerana mirehitra ity ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao. Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy. Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’NY TOMPO ka nampisotroiko ny firenena rehetra izay nanirahan’NY TOMPO ahy, dia Jerosalema, ny tanànan’ny Joda, ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hahatonga azy ho tany lao sy ho figagana, ho zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’izao anio izao; i Farao, mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra; ny olona samihafa firenena rehetra, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany Oza, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistina, Askelona, Gaza, Ekrona, ny sisa any Asdoda; Edoma, Moaba, ny taranak’i Amona, ny mpanjaka rehetra any Tiro, ny mpanjaka rehetra any Sidona, ny mpanjakan’ny nosy any andafin’ny ranomasina; Dedana, Tema, Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo; ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ny firenena maro samihafa izay monina any an-tany efitra; ny mpanjaka rehetra any Zimry, ny mpanjaka rehetra any Elama, ny mpanjaka rehetra any Media, ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesaka koa dia hisotro rehefa avy misotro ireo. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Misotroa ianareo ka mimamoa sy mandoava ary mianjerà, koa aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo. Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tsy maintsy misotro ianareo. Fa indro, tao amin’ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny loza, koa ho afaka madiodio va ianareo? Tsy ho afaka madiodio ianareo; fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao ka teneno hoe: NY TOMPO hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin’ny sahany Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany. Mihatra amin’ny faran’ny tany ny fihorakorahana; fa NY TOMPO manana ady amin’ny firenena; mifandahatra amin’ny nofo rehetra Izy ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ny sabatra, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samihafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka avy any amin’ny faran’ny tany; Amin’izany andro izany ny voavonon’NY TOMPO dia hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany iray ka hatrany amin’ny farany iray hafa koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany. Midradradradrà ianareo mpitondra, ary miantsoantsoa mafy; eny, mihosinkosena ianareo mpiandry ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo; ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fianjeran’ny fanaka sarobidy. Tsy hisy toerana handosiran’ny mpitondra ary tsy hisy fahafahana ho an’ny mpiandry ny ondry. Injany misy feo fitarainan’ny mpitondra sy fidradradradran’ny mpiandry ny ondry aminy! Satria efa nosimban’NY TOMPO ny saha fiandrasana azy; ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO. Nandao ny fiereny toy ny liona tanora Izy; fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ny mpampahory sy noho ny firehetan’ny fahatezerany. Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao avy tamin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Mijoroa eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO ka lazao amin’ny tanànan’ny Joda rehetra izay avy hiankohoka ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy ary aza amelana na dia teny iray akory aza. Fa angamba hihaino ihany izy ka samy hiala amin’ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny ratsy ataony. Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalànako izay napetrako teo anoloanareo, ary tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko izay irahiko aminareo, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo, dia hataoko tahaka an’i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ity tanàna ity. Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra dia nandre an’i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Koa nony efa tapitra voalazan’i Jeremia izay rehetra nasain’NY TOMPO holazaina tamin’ny vahoaka rehetra dia nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao! Nahoana ianao no naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO hoe: Ho tahaka an’i Silo ity trano ity, ary ho lao ity tanàna ity ka tsy hisy mponina intsony? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’i Jeremia tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Fa nony ren’ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany dia niakatra avy tany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankany amin’ny tranon’NY TOMPO ary nipetraka teo anoloan’ny vavahady vaovaon’NY TOMPO. Ary ny mpisorona sy ny mpaminany dia nilaza tamin’ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa naminany loza ho amin’ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ny sofinareo. Dia nilaza tamin’ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia hoe: NY TOMPO no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ity trano sy ity tanàna ity. Koa ankehitriny hatsarao ny fandehanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo. Fa ny amiko dia indro, eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay heverinareo ho mety sy marina. Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo dia ho meloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina eto satria NY TOMPO mihitsy no naniraka ahy teo aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo. Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin’ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity satria tamin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika no nitenenany tamintsika. Dia nisy nitsangana ny loholona ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra vory teo hoe: I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12). Moa namono azy va i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra NY TOMPO va izy ka nifona tamin’NY TOMPO, dia nanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampiditra loza lehibe amin’ny tenantsika. Nisy lehilahy iray izay koa naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO, dia i Oria, zanak’i Semaia, avy any Kiriata-Jearima, izay naminany loza ho amin’ity tanàna sy ity tany ity araka ireo teny rehetra nataon’i Jeremia teo ireo koa. Ary nony ren’i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ary ireo komandiny rehetra ny teniny dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka. Nony nandre izany i Oria dia natahotra ka nandositra ary tonga tany Ejipta; nefa nandefa iraka nankany Ejipta i Joiakima mpanjaka, dia i Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Ejipta. Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka. Fa i Ahikama, zanak’i Safana, dia niaro an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy hovonoina teo an-tanan’ny vahoaka. Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe: Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Manaova kofehy famatorana sy zioga maromaro ianao ka ataovy eo am-bozonao; ary ampanatero any amin’ny mpanjakan’i Edoma, any amin’ny mpanjakan’i Moaba, any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona, any amin’ny mpanjakan’i Tiro ary any amin’ny mpanjakan’i Sidona izany, hoentin’ireo iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda; ary asaivo lazainy amin’ny tompony avy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Izao no holazainareo amin’ny tomponareo: Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ny heriko lehibe sy tamin’ny sandriko nitsotra; ary nomeko ho an’izay sitraky ny foko ny tany. Ary ankehitriny, Izaho no nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko; eny, na dia ny bibidia aza dia efa nomeko hanompo azy koa. Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ny fotoana hamaliana ny tanin’izy io kosa, dia hampanompoin’ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy. Izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona, dia hovaliko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy NY TOMPO, ambara-pandringako azy amin’ny tanany. Aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpisikidinareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpilalao odinareo, izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo. Fa lainga no nosaininy aminareo mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana. Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao. Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona ny vozonareo ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo. Nahoana no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ny vahoakanao, araka ny nolazain’NY TOMPO ny amin’ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilona? Koa aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo! Fa lainga no ambaran’ireo aminareo. Fa tsy naniraka azy Aho, hoy NY TOMPO, nefa misandoka ho mpaminany amin’ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo sy hahalany ringana anareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo. Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana. Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’i Babilona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity? Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’NY TOMPO dia aoka hifona amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, izy, mba tsy ho lasa ho any Babilona koa ny fanaka sisa ao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda sy ato Jerosalema. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ny andry sy ny koveta sy ny fitoerana koveta ary ny amin’ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ity tanàna ity, dia izay tsy nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, fony izy nitondra an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, ho babo avy teto Jerosalema ho any Babilona, mbamin’ny manankaja rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema, eny, izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny fanaka izay sisa ao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda sy ato Jerosalema: Ho any Babilona no hitondrana ireo sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ny andro hamangiako azy, hoy NY TOMPO, avy eo vao hoentiko miakatra izy ka hampodiko amin’ity tanàna ity. Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Efa notapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona, koa ao anatin’ny roa taona no hampodiko ho amin’ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO, izay nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, avy tato amin’ity tanàna ity ka noentiny ho any Babilona; ary i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babilona, dia hampodiko ho amin’ity tanàna ity, hoy NY TOMPO; fa hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona. Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO: Eny! Amena! Hoy Jeremia mpaminany; hataon’NY TOMPO anie izany! Hotanterahin’NY TOMPO anie ny teninao izay nolazainao ny amin’ny hampodina ny fanaky ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny babo rehetra hiala any Babilona ka hiverina ho amin’ity tanàna ity indray. Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra: Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ny tany maro sy ny fanjakana lehibe. Ny amin’ny mpaminany izay maminany fiadanana, raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’NY TOMPO tokoa izy. Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny. Ary niteny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho afaka amin’ny vozon’ny firenena rehetra ao anatin’ny roa taona. Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany. Nony efa notapahin’i Hanania mpaminany ho afaka tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ny zioga dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO nilaza hoe: Mandehana ka lazao amin’i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Zioga vy no nataoko tamin’ny vozon’ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka hanompo azy izy; eny, na dia ny bibidia aza dia nomeko azy koa. Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao NY TOMPO; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ny lainga. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hesoriko tsy ho amin’ny tany ianao; amin’ity taona ity ihany no hahafatesanao satria fikomiana tamin’NY TOMPO no notorìnao. Dia maty tamin’ny volana fahafito tamin’iny taona iny ihany i Hanania mpaminany. Izao no tao anatin’ny taratasy izay nampitondrain’i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ny sisa amin’ny loholona voababo sy ho amin’ny mpisorona ary ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra izay nobaboin’i Nebokadnezara ka noentiny avy tany Jerosalema ho any Babilona, rehefa lasa niala tany Jerosalema i Jekonia mpanjaka, ny reniny, ny tandapa, ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy, dia ilay teny nampitondrainy an’i Elasa, zanak’i Safana, sy i Gemaria, zanak’i Hilkia, izay nirahin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho any Babilona, ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, nilaza hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, amin’ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babilona: Manaova trano ianareo ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy. Manambadia ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy. Katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’NY TOMPO ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo sy ny mpisikidinareo izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo. Fa lainga no faminaniany aminareo amin’ny anarako; tsy naniraka azy ireny Aho, hoy NY TOMPO. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Rehefa tapitra ny fitopolo taona ny amin’i Babilona dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teny tsara nataoko ka hampodiko ho amin’ity tany ity ianareo. Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy. Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka Amiko dia hihaino anareo Aho. Ary hitady Ahy ianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin’ny fonareo manontolo. Eny, ho hitanareo Aho, hoy NY TOMPO; ary hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo ka hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra sy avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy NY TOMPO, ary hampodiko ho any amin’ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina. Hoy anefa ianareo: NY TOMPO nanangana mpaminany ho anay etỳ Babilona. Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay monina amin’ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo; izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ka hataoko toy ny aviavy tena ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy. Ary henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ny firenena izay nandroahako azy noho ny tsy nihainoany ny teniko izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy NY TOMPO. Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babilona. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, ny amin’i Ahaba, zanak’i Kolaia, sy ny amin’i Zedekia, zanak’i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izy roa lahy dia hovonoiny eo imasonareo. Ary izy roa lahy dia hataon’ny babo rehetra amin’ny Joda izay any Babilona ho fanozonana hoe: Hataon’NY TOMPO tahaka an’i Zedekia sy i Ahaba, izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny afo, anie ianao, noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin’ny Israely dia ny nijangajangany tamin’ny vadin’ny namany sy ny nitenenany lainga tamin’ny anarako, dia izay teny tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ary ho vavolombelon’izany Aho, hoy NY TOMPO. Ary i Semaia nehelamita dia hilazanao hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin’ny anaranao ho amin’ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin’i Zefania mpisorona, zanak’i Mahaseia, ary amin’ny mpisorona rehetra hafa koa nilaza hoe: NY TOMPO efa nanao anao ho mpisorona ho solon’i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany ka hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony; dia nahoana ianao no tsy nananatra mafy an’i Jeremia avy any Anatota, izay milaza azy ho mpaminany aminareo? Fa nandefa iraka ho aminay atỳ Babilona izy niteny hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra aminy. Ary namaky izany taratasy izany teo anatrehan’i Jeremia mpaminany i Zefania mpisorona. Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe: Mandefasa iraka ho any amin’ny babo rehetra ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Semaia nehelamita: Noho ny naminanian’i Semaia taminareo, kanefa izy anie tsy nirahiko akory, fa dia nampitoky anareo tamin’ny lainga, dia izao no lazain’NY TOMPO: Indro, efa hamaly an’i Semaia nehelamita sy ny taranany Aho: Tsy hanana zanakalahy honina amin’ity firenena ity izy sady tsy hahita ny soa izay hataoko amin’ny oloko, hoy NY TOMPO, satria fikomiana tamin’NY TOMPO no notorìny. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay nolazaiko taminao. Fa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampodiko ny oloko, dia ny Israely sy ny Joda, avy amin’ny fahababoany, hoy NY TOMPO; eny, hampody azy ho amin’ny tany izay nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany. Ary izao no teny izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ny Israely sy ny Joda, eny, izao no lazain’NY TOMPO: Feo mampangovitra no renay; tahotra no misy fa tsy fiadanana. Anontanionareo ka jereo, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; koa nahoana no samy hitako manery ny andilany amin’ny tanany avy ny lehilahy rehetra, ohatra ilay efa mihetsi-jaza iny, sady ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa? Indrisy! Lehibe izany andro izany ka tsy misy tahaka azy; andro fahoriana ho an’i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’izany ihany izy. Fa amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao, hotapahiko koa ny kofehy namatorana anao, ary tsy hampanompo anao intsony ny firenena hafa; fa hanompo NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany izay hatsangako ho azy izy. Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO; ary aza mivadi-po, ry Israely; fa indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary hovonjeko avy any amin’ny tany izay nahababo azy ny taranakao; dia hiverina i Jakoba ka hiadana sy handry fehizay, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy intsony. Fa momba anao Aho mba hamonjy anao, hoy NY TOMPO; koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao dia tsy mba holevoniko kosa ianao; nefa kosa mba hanariko araka ny onony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny amin’izao. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy misy fanafodiny ny faharatranao ary tsy azo sitranina ny ferinao. Tsy misy miaro anao amin’izay mahazo anao; tsy misy famehezana hitsaboana ny ferinao; ary tsy misy fanafody hanasitranana anao. Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; fa famelin’ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizana tsy mitsitsy, noho ny habetsahan’ny helokao sy ny hamaroan’ny fahotanao. Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ny helokao sy ny hamaroan’ny fahotanao no nanaovako izany taminao. Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo; izay mamabo anao dia hobaboina ary izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina. Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy NY TOMPO. Noho ny nitenenany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: I Ziona tsy misy mpitady ity, dia izao no lazain’NY TOMPO: Indro, haveriko amin’ny laoniny ny tranolain’i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; koa ny tanàna dia haorina eo amin’ny havoanany, ary ny lapan’ny mpanjaka dia haorina indray eo amin’izay toerany marina. Ary hisy fisaorana sy feon’ny mifaly avy ao aminy; dia hahamaro azy Aho ka tsy hihena ny isany, sady hanome voninahitra azy Aho ka tsy hambaniana izy. Ny zanany koa dia ho tahaka ny tany aloha, ny fiangonany dia hampitoerina eo anatrehako ary hovaliko izay rehetra mampahory azy. Ary ny lehibeny dia ho avy ao aminy ihany, ny mpanapaka azy koa dia ho avy ao aminy ihany; hampanakaiky azy Aho ka hanatona Ahy izy, fa iza moa no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? Hoy NY TOMPO. Ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo. E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. Ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra raha tsy efany sy tanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo any am-parany ny amin’izany. Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ny Israely Aho ary ho oloko izy. Izao no lazain’NY TOMPO: Nahita fitia any an-tany efitra ny olona izay sisa tsy matin’ny sabatra; mandroso ho amin’ny fitsaharana Israely. Avy any lavitra no nisehoan’NY TOMPO tamiko ka nitenenany hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Mbola hanorina anao indray Aho ka hiorina ianao, ry Israely virijiny! Mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ny dihin’ny mifaly. Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianao; ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra. Fa mbola hisy andro hiantsoan’ny mpitazana any amin’ny tany be havoana any Efraima hoe: Mitsangàna ianareo ka andeha isika hiakatra any Ziona, ho any amin’NY TOMPO Andriamanitsika. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Mihobia amin’ny fifaliana noho ny amin’i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ny lohan’ny firenena, torionareo, deraonareo, ka lazao hoe: TOMPO ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ny Israely. Indro, hitondra azy avy any amin’ny tany avaratra Aho ary hanangona azy avy any amin’ny faran’ny tany, dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba, na ny mandringa, na izay bevohoka, na izay mihetsi-jaza; vahoaka marobe no hiverina atỳ. Amin’ny fitomaniana no hiaviany, amin’ny fifonany no hitondrako azy; ary hoentiko ho eny amoron’ny renirano izy, amin’ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; fa Rain’Israely Aho ary i Efraima no lahimatoako. Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Jentilisa, ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany ka lazao hoe: Izay nampiely ny Israely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny. Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba ary efa nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy. Dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoanan’i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’NY TOMPO, dia ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ny zanak’ondry ary ny zanak’omby; ary ny fiainany dia ho toy ny tanimboly vonton-drano ka tsy halazo intsony. Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijiny mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany; hampiononiko izy ary hampifaliako ho afaka alahelo. Dia hovokisako zava-matavy ny mpisorona ary ho voky ny zava-tsoako ny oloko, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany satria lany ritra ireny. Izao no lazain’NY TOMPO: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny asanao, hoy NY TOMPO, ary hody avy any amin’ny tanin’ny fahavalo ireny. Ary misy fanantenana ny amin’ny ho avinao, hoy NY TOMPO; fa ny zanakao dia hiverina ho ao amin’ny taniny indray. Efa reko tokoa i Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizinao aho, eny, nofaizina toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; avereno aho dia ho tafaverina, fa Ianao no TOMPO Andriamanitro. Nony efa niverina tokoa aho dia vao nahalala fanenenana; ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho dia niteha-tratra; menatra sady mangaihay aho fa latsain’ny tsinin’ny fahatanorako. Zanako mahafinaritra va i Efraima, zanaka malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy Aho isaky ny miresaka ny aminy? Noho izany dia onena azy ny foko; hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy NY TOMPO. Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangambato; saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; miverena indray, ry Israely virijiny, miverena indray ho amin’ireto tanànanao ireto. Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpikomy? Fa NY TOMPO efa namorona zava-baovao amin’ny tany: Ny vehivavy indray no hitady lehilahy. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola holazaina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana! Ary i Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ny ondry aman’osiny. Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako. Ary tamin’izay dia nahatsiaro aho ka nahita ary mamy ny torimasoko. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, ka hafafiko eo amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda ny taranak’olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy. Ary toy ny niambenako azy mba hongotana sy hazera, harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy haorina sy hambolena kosa, hoy NY TOMPO. Amin’izany andro izany izy dia tsy hiteny intsony hoe: Ny ray no nihinana voaloboka marikivy ka ny nifin’ny zanany no madilo. Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olona rehetra; na iza na iza no homana voaloboka marikivy dia izy ihany no hadilo nify. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy amin’ny taranak’i Joda, nefa tsy tahaka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no tompony hoy NY TOMPO. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. Izao no lazain’NY TOMPO izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ny antoandro, izay mampilahatra ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina, izay mampanonja ny ranomasina ka mampirohondrohona ny onjany, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mitsahatra eo anoloako izany fandaminana izany, hoy NY TOMPO, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’Israely. Izao no lazain’NY TOMPO: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’Israely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy NY TOMPO. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’NY TOMPO hatramin’ny trano fiambenana any Hananela ka hatramin’ny vavahady eo an-jorony. Ary ny kofehy fandrefesana dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ny havoanan’i Gareba, dia hasangodina ho any Goa; Ary ny lohasaha fanariana faty sy lavenona rehetra ary ny saha rehetra hatramin’ny Lohasahan-driakan’i Kidrona ka hatreo amin’ny zoron’ny vavahadin-tsoavaly eo atsinanana dia ho masina ho an’NY TOMPO; tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara. Fa tamin’izany no nanaovan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona fahirano an’i Jerosalema; ary i Jeremia mpaminany dia nambenana teo amin’ny trano fiambenana izay teo amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda. Fa nampiambina azy i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sady niteny hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ity tanàna ity ka ho azony; ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan’ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy; ary any Babilona no hitondrana an’i Zedekia, koa ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy NY TOMPO. Na dia miady amin’ny Kaldeana aza ianareo dia tsy haharesy azy. Ary hoy i Jeremia: Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Indro i Hanamela, zanak’i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hiteny hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy. Ary i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, dia tonga tao amiko teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana araka ny tenin’NY TOMPO ka hoy izy tamiko: Miangavy anao aho, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ny tanin’ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Dia fantatro fa tenin’NY TOMPO izany. Ary novidiko tamin’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, ny saha izay tao Anatota; nolanjaiko ny vola, dia sekela volafotsy fito amby folo. Ary nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona maromaro, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola. Dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao mbamin’ny taratasy mivelatra koa; ary natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana. Dia nanome didy an’i Baroka teo anatrehan’ireo aho hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany ireto, dia ilay misy tombo-kase, mbamin’ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin’ity tany ity. Ary rehefa voatolotra an’i Baroka, zanak’i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’NY TOMPO aho hoe: Indrisy, Andriamanitra Tompo ô! Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nitsotra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao atao. Mamindra fo amin’ny arivoarivo Ianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran’ny zanany mandimby azy, dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anaranao, lehibe amin’ny fisainana sady mahery amin’ny atao; fa mibanjina ny alehan’ny zanak’olombelona rehetra ny masonao mba hanome azy rehetra, araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany. Ianao no nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany koa, na ao amin’ny Israely, na ao amin’ny olona hafa koa, dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’izao anio izao. Nitondra ny Israely olonao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Ianao tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nitsotra ary ny fampahatahorana lehibe, ary nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao tamin’ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely. Ary tonga teto izy dia nandova izany, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànanao; tsy nanao na inona na inona tamin’izay rehetra nasainao nataony izy ka nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao. Indro, ny tovon-tany dia miorina akaikin’ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tanan’ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, koa indro, hitan’ny masonao izany. Ary Ianao, Andriamanitra Tompo ô, dia niteny tamiko hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona maromaro, na dia efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana aza ny tanàna. Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe: Indro, Izaho no TOMPO, Andriamanitry ny nofo rehetra. Moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hatolotro eo an-tanan’ny Kaldeana ity tanàna ity ary eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ka ho azony. Ary ny Kaldeana izay mamely ity tanàna ity, dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ny Baala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa mba hampahatezitra Ahy. Fa izay ratsy teo imasoko ihany no nataon’ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa efa nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tanany ny Zanak’Israely, hoy NY TOMPO. Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin’ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako, noho ny ratsy rehetra nataon’ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda, dia izy sy ny mpanjakany, ny mpanapaka azy, ny mpisorony, ny mpaminaniny, ny lehilahy amin’ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy. Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy; ary na dia nampianariko aza izy, eny, nifoha vao maraina Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy. Fa nametraka ny fahavetavetany tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy; ary nanorina ny toerana fanaovana sorona ho an’i Baala, izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izy mba hampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo ho an’i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda. Koa noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy: Indro, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirako be izy; ary hoentiko amin’ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fehizay; ary ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny. Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava, hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy; dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa mba tsy hialany Amiko. Eny, ho faly aminy Aho ka hanasoa azy, dia hamboly azy amin’ity tany ity tokoa amin’ny foko manontolo sy ny fanahiko manontolo. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Araka ny namelako izao loza lehibe rehetra izao ho tonga tamin’ity firenena ity, dia araka izany koa no hamelako ho tonga aminy ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy. Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe: Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana. Eny, saha no hovidin’ny olona vola ka hosoratany amin’ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona maro ao amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, amin’ny tanànan’ny Joda, amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela ary amin’ny tanàna any Negeva; fa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy, hoy NY TOMPO. Tonga fanindroany tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO, raha mbola voatazona teo amin’ny trano fiambenana ihany izy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanao izany, dia NY TOMPO izay namorona izany mba hampitoetra azy; NY TOMPO no anarany: Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, izay noravana tamin’ny tovon-tany sy ny sabatra, raha nandroso hiady tamin’ny Kaldeana izy ka nameno ny trano tamin’ny fatin’olona izay novonoiko tamin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin’ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra, dia indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny harenan’ny fiadanana sy ny fahamarinana. Ary ny Joda sy ny Israely dia hampodiko avy amin’ny fahababoany ka haoriko ho toy ny taloha izy. Ary hodioviko ho afaka amin’ny helony rehetra izay nanotany Tamiko izy; koa havelako ny helony rehetra izay nanotany sy nikomiany Tamiko. Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy. Izao no lazain’NY TOMPO: Eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe rava ka tsy misy olona na biby fiompy intsony, dia eto amin’ny tanànan’ny Joda sy ao amin’ny lalamben’i Jerosalema izay efa lao ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy, no mbola handrenesana indray ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny an’ny ampakarina ary ny feon’izay miteny hoe: Miderà an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, fa tsara Izy, fa, mandrakizay ny famindrampony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO; fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Eto amin’ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’osiny, dia amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela, amin’ny tanàna any Negeva, amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ary amin’ny tanànan’ny Joda, dia mbola hampandalovina eo anatrehan’ny mpanisa azy ny ondry aman’osy mba ho isainy, hoy NY TOMPO. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanatanterahako ny teny soa izay nolazaiko ny amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany dia hampaniry Solofo marina ho an’i Davida Aho; ary hanao fitsarana marina amin’ny tany Izy. Amin’izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary handry fehizay i Jerosalema; ary izao no hanononana azy: NY TOMPO no Fahamarinantsika. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy ho diso zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny taranak’Israely i Davida; ary ny levita mpisorona dia tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, izay hanolotra tsy tapaka, fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary fanatitra hafa alatsa-dra. Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin’ny andro sy ny fanekeko ny amin’ny alina ianareo, mba tsy hisy intsony andro sy alina amin’ny fotoanany, dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny sezafiandrianany, sy ny amin’ny levita mpisorona, mpanompoko. Toy ny hamaroan’ny kintana eny amin’ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’i Davida mpanompoko sy ny levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy. Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe: Tsy hitanao va izay nolazain’ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’NY TOMPO dia efa nariany; toy izany no anamavoany ny oloko ka tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy. Izao no lazain’NY TOMPO: Raha tsy amin’ny andro sy ny alina ny fanekeko ary raha tsy notendreko ny lalàna mitondra ny lanitra sy ny tany, dia hariako ny taranak’i Jakoba sy i Davida mpanompoko ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; fa hampodiko avy amin’ny fahababoana izy ka hamindrako fo. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, namely an’i Jerosalema sy ny tanànany rehetra niaraka tamin’ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ny tany izay nanjakany mbamin’ny firenena rehetra: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Mandehana, lazao amin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, atolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ity tanàna ity ka hodorany amin’ny afo izy; tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tanany; ary hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilona ny masonao, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babilona ianao. Nefa henoy ny tenin’NY TOMPO, ry Zedekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no lazain’NY TOMPO ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao, fa amin’ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireo mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko! Izaho no milaza izany, hoy NY TOMPO. Dia nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tany Jerosalema, izany teny rehetra izany, fony mbola namely an’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sisa rehetra, dia i Lakisy sy i Azeka, ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ny tanànan’ny Joda. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, rehefa nanao fanekena tamin’ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema i Zedekia mpanjaka mba hitory fanafahana aminy ka samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny, dia izay Hebreo lahy sy Hebreo vavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony. Dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena fa samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy ka samy nandefa azy ho afaka. Kanjo taorianan’izany dia nanenina izy ka naveriny indray ireo mpanompolahy sy mpanompovavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho mpanompolahiny sy ho mpanompovaviny indray. Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta hiala tamin’ny trano nanandevozana, tamin’ny nilazako hoe: Isaky ny fito taona dia samia mandefa ny Hebreo rahalahiny izay namidy taminao; koa rehefa nanompo anao enin-taona izy dia alefaso ho afaka; nefa tsy nihaino Ahy ny razanareo ary tsy nanongilana ny sofiny izy. Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy teo imasoko tamin’ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako; kanjo nivadika indray ianareo ka nanamavo ny anarako, fa samy namerina ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho mpanompolahiny sy ho mpanompovaviny indray ianareo. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy nihaino Ahy ianareo ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy NY TOMPO, nefa ho an’ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra amin’ny tany ianareo. Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena izay nataony teo anatrehako, fony nosasahiny ny ombilahy kely ka nandeha teo anelanelan’ny tapany izy, eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka any Jerosalema, ny tandapa, ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra izay nandeha teo anelanelan’ny tapaky ny ombilahy kely, dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; ary ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ny fatiny. Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy ary eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona izay efa lasa niala taminareo. Indro, handidy Aho, hoy NY TOMPO, ary hampivereniko ho amin’ity tanàna ity ireo; hasiany ity tanàna ity ka ho azony, dia hodorany amin’ny afo. Ary ny tanànan’ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Mankanesa any amin’ny taranak’i Rekaba ary mitenena aminy, dia ampidiro ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ao amin’ny efitrano iray, izy, ka omeo divay hosotroiny. Dia nalaiko i Jazania, zanak’i Jeremia, zanak’i Habazinia, sy ny rahalahiny ary ny zanany rehetra mbamin’ny taranak’i Rekaba rehetra, ka nampidiriko ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO izy, dia tao amin’ny efitranon’ny taranak’i Hanana, zanak’i Jigdalia, lehilahin’Andriamanitra, izay ao anilan’ny efitranon’ny mpanapaka, ao ambonin’ny efitranon’i Mahaseia, zanak’i Saloma, mpiambina ny varavarana. Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan’ny taranak’i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo. Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa i Jonadaba, zanak’i Rekaba, razanay, efa nanafatra anay hoe: Aza mba misotro divay mandrakizay ianareo na ny taranakareo; ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory; fa tranolay no itoeronareo amin’ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin’ny tany izay ivahinianareo. Dia nankatoavinay izany tenin’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, razanay, izany, tamin’izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ny andronay rehetra, na izahay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy; ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra famafy izahay; fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran’i Jonadaba razanay anay. Fa rehefa nananika ny tany i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ny Kaldeana sy ny miaramilan’ny Siriana, dia izany no itoeranay eto Jerosalema. Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Andeha, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? Hoy NY TOMPO. To ny tenin’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, satria tsy misotro tokoa izy mandraka androany fa mahatana ny hafatry ny razany. Ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha vao maraina Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo. Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Samia miala amin’ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamanitra hafa hanompo azy, dia honina amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo; nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo. Eny, nankatoavin’ny zanak’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, ny hafatry ny razany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa dia tsy mba nihaino Ahy. Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hataoko mihatra amin’ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy satria efa niteny taminy Aho fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho fa tsy namaly izy. Ary ny taranak’i Rekaba dia nilazan’i Jeremia hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Noho ny nahatananareo ny hafatr’i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo, dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: I Jonadaba, zanak’i Rekaba, dia tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay. Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO izao teny izao: Makà horonan-taratasy ianao ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ny andro nilazako taminao, dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka androany. Angamba hohenoin’ny taranak’i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy ka samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy dia havelako ny helony sy ny fahotany. Ary niantso an’i Baroka, zanak’i Neria i Jeremia; dia nosoratan’i Baroka tamin’ny horonan-taratasy ny tenin’NY TOMPO rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia, dia izay efa nolazain’NY TOMPO taminy. Dia nandidy an’i Baroka i Jeremia hoe: Izaho ity voatazona ka tsy afaka mankany amin’ny tranon’NY TOMPO; koa mandehana ianao ka vakio eo anatrehan’ny vahoaka ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro fifadian-kanina ny tenin’NY TOMPO, izay efa nosoratanao avy tamin’ny vavako; ary vakio eo anatrehan’ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ny tanànany koa. Fa angamba hoborahina eo anatrehan’NY TOMPO ny fifonany, dia samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ity firenena ity. Ary i Baroka, zanak’i Neria, dia nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’NY TOMPO tamin’ny taratasy teo amin’ny tranon’NY TOMPO. Fa tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia nisy fiantsoana fifadian-kanina teo anatrehan’NY TOMPO ho an’ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ny tanànan’ny Joda. Dia novakin’i Baroka teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy; izany dia tao amin’ny efitranon’i Gemaria, zanak’i Safana mpitantsoratra, teo amin’ny kianja ambony, teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’NY TOMPO. Nony ren’i Mika, zanak’i Gemaria, zanak’i Safana, ny tenin’NY TOMPO rehetra tamin’ny boky, dia nidina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankao amin’ny efitranon’ny mpitantsoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia i Elisama mpitantsoratra; i Delaia, zanak’i Semaia; i Elnatana, zanak’i Akbora; i Gemaria, zanak’i Safana; ary i Zedekia, zanak’i Hanania mbamin’ny mpanapaka rehetra. Dia nambaran’i Mika azy ny teny rehetra izay efa reny tamin’ny namakian’i Baroka ny taratasy teo anatrehan’ny vahoaka. Dia nirahin’ny mpanapaka rehetra i Jehody, zanak’i Netania, zanak’i Selemia, zanak’i Kosy, ho any amin’i Baroka mba hiteny hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia noentin’i Baroka, zanak’i Neria, teny an-tanany ny horonan-taratasy, dia nankany aminy izy. Ary hoy izy ireo taminy: Mipetraha ary ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin’i Baroka teo anatrehany ilay izy. Rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy ireo, ary hoy izy tamin’i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ny mpanjaka izany teny rehetra izany. Ary i Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny fomba nanoratanao izao teny rehetra izao avy teo am-bavany. Dia hoy i Baroka taminy: Izy no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, dia nosoratako an-taratasy tamin’ny ranomainty. Dia hoy ny mpanapaka tamin’i Baroka: Mandehana ka miere ianao sy i Jeremia ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo. Dia niditra tao amin’ny mpanjaka tao amin’ny kianja izy ireo, nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra, ary nambarany teo anatrehan’ny mpanjaka ny teny rehetra. Ary nirahin’ny mpanjaka i Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra iny. Dia novakin’i Jehody teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka izany. Nipetraka tao amin’ny trano fitoerana amin’ny ririnina ny mpanjaka tamin’ny volana fahasivy, ary nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany. Ary nony efa namaky toko telo na efatra i Jehody dia notapatapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsin’ny mpitantsoratra ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny tao anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ny afo azy rehetra tao. Tsy mba natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay nandre izany teny rehetra izany. Ary na dia efa nifona tamin’ny mpanjaka aza i Elnatana sy i Delaia ary i Gemaria, mba tsy handoroany ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy. Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Jeramela, zanak’andriana, sy i Seraia, zanak’i Azriela, ary i Selemia, zanak’i Abdela, hisambotra an’i Baroka mpanoratra sy i Jeremia mpaminany. Nefa nafenin’NY TOMPO izy roa lahy. Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO, taorianan’ny nandoroan’ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan’i Baroka avy tamin’ny vavan’i Jeremia hoe: Makà indray horonan-taratasy hafa koa ianao ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin’ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda. Ary ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ianao dia efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka niteny hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ny biby eto? Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ny hainandro amin’ny antoandro ary ho azon’ny fanala amin’ny alina. Ary hampijaliako noho ny helony izy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony; hataoko mihatra aminy sy amin’ny mponina any Jerosalema ary amin’ny lehilahy amin’ny Joda ny loza rehetra izay efa nolazaiko hatao aminy, nefa tsy nohenoiny. Ary i Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa ka natolony an’i Baroka mpitantsoratra, zanak’i Neria, ary nosoratany tao, avy tamin’ny vavan’i Jeremia, ny teny rehetra izay tao amin’ilay horonan-taratasy nodoran’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny afo; sady nampiany teny maro mitovitovy amin’ireny koa aza. I Zedekia mpanjaka, zanak’i Josia, no nanjaka nandimby an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, fa nampanjakain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao amin’ny tanin’ny Joda izy; nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka dia samy tsy nihaino ny tenin’NY TOMPO, izay nampilazainy an’i Jeremia mpaminany. Ary i Zedekia mpanjaka dia naniraka an’i Jehokala, zanak’i Selemia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’i Jeremia mpaminany hiteny hoe: Mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitsika! Tamin’izany dia mbola afaka nivezivezy teo amin’ny olona ihany i Jeremia; fa tsy mbola nataony tao an-tranomaizina izy. Ary efa niainga avy tany Ejipta ny miaramilan’i Farao ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’i Jerosalema, dia niala tao Jerosalema. Dia tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izao no lazaonareo amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hankaty Amiko mba hanontany Ahy: Indro, ny miaramilan’i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Ejipta taniny; fa ho avy indray ny Kaldeana dia hamely ity tanàna ity sady haka azy ary handoro azy amin’ny afo. Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mamita-tena foana ianareo ka miteny hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory. Fa na dia mamely ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo ka izay voalefona no ho sisa velona dia samy hitsangana avy ao anaty tranolainy ireo ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo. Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan’ny Kaldeana noho ny amin’ny miaramilan’i Farao dia nivoaka avy tao Jerosalema i Jeremia hankany amin’ny tanin’ny Benjamina mba handray izay anjara lovany eo amin’ny vahoaka. Nony tonga teo am-bavahadin’i Benjamina izy dia indro, ny lehiben’ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’i Selemia, zanak’i Hanania, no teo; dia nisambotra an’i Jeremia mpaminany izy ka niteny hoe: Miray tetika amin’ny Kaldeana ianao. Fa hoy i Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo ka nosamborin’i Jiria ihany i Jeremia ary noentiny ho ao amin’ny mpanapaka. Ary tezitra tamin’i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-tranomaizina tao amin’ny tranon’i Jonatana mpitantsoratra; fa izany no nataony tranomaizina. Ary naiditra tao an-tranomaizina, tao amin’ny efitra iray, i Jeremia, ary efa nitoetra tao andro maro izy. Ary nandefa iraka haka azy i Zedekia mpanjaka; dia nanontany azy mangingina tao an-tranony ny mpanjaka hoe: Moa misy teny avy tamin’NY TOMPO tokoa va? Dia hoy i Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ianao. Hoy koa i Jeremia tamin’i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ny mpanomponao, na tamin’ity firenena ity, no dia nataonareo an-tranomaizina aho? Aiza moa ireo mpaminaninareo izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilona? Koa trara antitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! Miankohoka eto anatrehanao aho, raiso ny fiangaviako ka aza averina ho ao amin’ny tranon’i Jonatana mpitantsoratra aho, fandrao dia maty ao. Dia nasain’i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana i Jeremia ka nasainy nomena mofo iray isanandro avy any amin’ny fitoeran’ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana. Ary i Safatia, zanak’i Matana, sy i Gedalia, zanak’i Pasora, ary i Jokala, zanak’i Selemia, sy i Pasora, zanak’i Malkia, dia nandre ny teny izay nolazain’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izay mitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; ny ainy no ho babony fa ho velona ihany izy. Izao no lazain’NY TOMPO: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa ka ho azony. Dia hoy ny mpanapaka tamin’ny mpanjaka: Trara antitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity, fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ity tanàna ity mbamin’ny olona rehetra izy, noho ny nitenenany taminy araka izany teny teo izany; fa ity lehilahy ity dia tsy mba mitady izay hiadanan’ity firenena ity fa izay hahatonga loza aminy kosa. Dia hoy i Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo ny mpanjaka. Ary naka an’i Jeremia izy ireo ka nandatsaka azy tao amin’ny lavaka famorian-dranon’i Malkia, zanaky ny mpanjaka, izay tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ny tady mahazaka i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin’ny lavaka fa fotaka fotsiny ihany ka nilentika tao amin’ny fotaka i Jeremia. Ary i Ebeda-Meleka kosita, tandapa iray tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nandre ny nandatsahan’ireo an’i Jeremia tao amin’ny lava-drano. Tamin’iny ny mpanjaka dia nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Benjamina. Dia nivoaka avy tao an-tranon’ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ity firenena ity tamin’i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao amin’izay itoerany satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna. Ary niteny tamin’i Ebeda-Meleka kosita ny mpanjaka hoe: Mitondrà telopolo lahy hiaraka aminao hampakatra an’i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy. Ary i Ebeda-Meleka dia nitondra ny olona niaraka taminy ka lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano fitahirizana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy ka nampidininy tamin’ny tady mahazaka ho ao amin’ny lavaka, ho ao amin’i Jeremia. Dia hoy Ebeda-Meleka kosita tamin’i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto, ary ho eo ambaniny ny tady mahazaka; dia nataon’i Jeremia izany; ary nosintoniny tamin’ny tady mahazaka i Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka; dia nitoetra teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana izy. Nandefa iraka haka an’i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ny fidirana fahatelo, izay ao amin’ny tranon’NY TOMPO, i Zedekia mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho ka aza anafenana na inona na inona. Ary hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia tolorako saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona. Ary i Zedekia mpanjaka dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nanome aina antsika toy izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tanan’ireto olona mitady ny ainao ireto. Dia hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: Izao ary no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona tokoa ianao dia ho velona ny ainao sady tsy hodorana amin’ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao; fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona kosa ianao dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana ity tanàna ity sady hodorany amin’ny afo izy ary tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao. Ary hoy i Zedekia mpanjaka tamin’i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tanany ka hataony fihomehezana. Hoy anefa i Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trara antitra ianao, ankatoavy ny tenin’NY TOMPO, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao ka ho velona ny ainao. Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao dia izao no teny efa nasehon’NY TOMPO ahy: Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia hoentina mivoaka ho any amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona, ary ireo vehivavy ireo dia hiteny hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; ary rehefa latsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao dia nilaozany nihemotra ianao. Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia hoentina mivoaka ho any amin’ny Kaldeana; ary tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao, fa ho azon’ny tanan’ny mpanjakan’i Babilona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo. Dia hoy i Zedekia tamin’i Jeremia: Aoka tsy ho ren’olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao. Fa rehefa ren’ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka miteny aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin’ny mpanjaka, aza afenina anay fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao anay koa izay nolazain’ny mpanjaka taminao; dia lazao aminy hoe: Noraisin’ny mpanjaka ny fiangaviako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin’ny tranon’i Jonatana. Ary nankany amin’i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian’ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo satria tsy nisy re ny raharaha. Dia nitoetra teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana i Jeremia mandra-pahatongan’ny andro nahazoana an’i Jerosalema. Tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nanao fahirano azy. Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia dia nisy voabanga ny tanàna, dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Sarezera, i Samgara-Nebo, i Sara-Sekima, Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, ary Raba-Magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona. Ary rehefa nahita ireo i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramilany rehetra, dia nandositra ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy. Nanenjika azy anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; ary nony azony izy dia noentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; dia notsarainy tao izy. Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla teo imason’ny rainy; ny manankaja rehetra tamin’ny Joda koa dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona. Nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatony tamin’ny gadra varahina izy hoentiny any Babilona. Nodoran’ny Kaldeana tamin’ny afo ny tranon’ny mpanjaka sy ny tranon’ny vahoaka, ary noravany ny mandan’i Jerosalema. Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo tany Babilona. Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany. Ary i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanome teny an’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia hoe: Ento izy ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no tanteraho aminy. Ary i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, i Nebosazbana, i Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, i Raba-Magy ary ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra, dia nandefa iraka haka an’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ka nanolotra azy an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, mba hoentiny any an-trano; dia niara-nitoetra tamin’ny olona tamin’izay izy. Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO, fony izy mbola voatazona tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ihany hoe: Mandehana ka lazao amin’i Ebeda-Meleka kosita hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao ireo amin’izany andro izany. Nefa hovonjeko ianao amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, fa tsy mba hatolotra eo an-tanan’ny olona izay atahoranao. Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria natoky Ahy ianao, hoy NY TOMPO. Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia. Ary naka an’i Jeremia ny lehiben’ny mpiambina ka niteny taminy hoe: NY TOMPO Andriamanitrao no nanambara izao loza izay nanjo ity tanàna ity izao. NY TOMPO no nahatonga izany ka nanatanteraka araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’NY TOMPO sy ny tsy nihainoanareo ny feony; izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo. Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano. Ary raha tsy mbola nety nandeha izy dia hoy i Nebozaradana: Miverena indray any amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, izay voatendrin’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tanànan’ny Joda ka tomoera any aminy miaraka amin’ny olona, na mandehana any amin’izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha. Ary i Jeremia dia nankany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tany Mizpa ka niara-monina taminy tao amin’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany. Ary rehefa ren’ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilona dia efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra sasany teo amin’ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babilona, dia tonga tany amin’i Gedalia tany Mizpa izy, dia Ismaela, zanak’i Netania; i Johanana sy i Jonatana, zanak’i Karea; i Seraia, zanak’i Tanometa; ny zanak’i Efay netofatita ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy. Ary i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ny tany ka manompoa ny mpanjakan’i Babilona, dia hahita soa ianareo. Ary ny amiko dia indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa manangòna ianareo divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo ka ataovy ao amin’ny fitahirizanareo, dia monena amin’izay tanàna nidiranareo. Ary ny Jiosy rehetra koa izay tany Moaba sy tany amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan’i Babilona efa namela ny Joda hisy sisa sady nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, ho mpanapaka azy. Dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ny tanin’ny Joda ho any amin’i Gedalia tao Mizpa; dia nanangona divay sy voankazo masaka fahavaratra be dia be izy ireo. Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin’i Gedalia tany Mizpa ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama. Ary i Johanana, zanak’i Karea, dia nilaza mangingina tamin’i Gedalia tao Mizpa hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hamono an’Ismaela, zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ny Joda? Hoy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama, tamin’i Johanana, zanak’i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’Ismaela ianao. Tamin’ny volana fahafito, Ismaela, zanak’i Netania, zanak’i Elisama, avy amin’ny taranaky ny mpanjaka, sy ny olona ambony maromaro akaiky ny mpanjaka, dia tonga tany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tao Mizpa; nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nisakafo tao Mizpa izy ireo. Dia nitsangana Ismaela, zanak’i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Novonoiny ilay efa nataon’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tany. Novonoin’Ismaela koa ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana ary ny miaramila izay hita tao. Nony ampitson’ny andro namonoana an’i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany, dia nisy valopolo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy miharatra volombava, sady rovitra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tanany, hoentina ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary Ismaela, zanak’i Netania, dia nivoaka hitsena azy avy tao Mizpa sady nitomany teny am-pandehanana. Nony tafahaona taminy izy dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama. Kanjo nony tonga tao afovoan’ny tanàna izy ireo dia novonoin’Ismaela, zanak’i Netania, mbamin’ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano. Fa nisy folo lahy tamin’ireo niteny tamin’Ismaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia varimbazaha isan-karazany sy diloilo ary tantely. Dia nijanona tsy namono azy tahaka ny efa nataony tamin’ny namany izy. Ary ilay lavaka nanarian’Ismaela ny fatin’ny olona rehetra izay novonoiny ho eo anilan’i Gedalia, dia ilay nataon’i Asa mpanjaka mba hiereny an’i Basa, mpanjakan’ny Israely, dia nofenoin’Ismaela, zanak’i Netania, faty. Ary noentin’Ismaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanaky ny mpanjaka, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama; eny, Ismaela, zanak’i Netania, no nitondra azy ireny ho babo ka lasa niala nankany amin’ny taranak’i Amona izy. Fa nony ren’i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon’Ismaela, zanak’i Netania, dia novoriny ny olona rehetra ka noentiny niady tamin’Ismaela, zanak’i Netania ary hitany teo amoron’ny ranobe ao Gibeona izy. Ary ny olona rehetra izay tao amin’Ismaela, nony nahita an’i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly. Ary ny olona rehetra izay noentin’Ismaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’i Johanana, zanak’i Karea. Fa Ismaela, zanak’i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an’i Johanana ka lasa nankany amin’ny taranak’i Amona. Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’Ismaela, zanak’i Netania, avy tany Mizpa, taorianan’ny namonoany an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay noentiny niverina avy tany Gibeona. Dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-Kimama izay ao akaikin’i Betlehema, mba handehanany hankany Ejipta tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Ismaela, zanak’i Netania, dia efa namono an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, izay notendren’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tany. Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy i Johanana, zanak’i Karea, ary i Jazania, zanak’i Hosaia, mbamin’ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona ka niteny tamin’i Jeremia mpaminany hoe: Miangavy anao izahay, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ireto sisa rehetra ireto, fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ny masonao izao, mba hambaran’NY TOMPO Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay. Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. Dia hoy izy tamin’i Jeremia: NY TOMPO no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika raha tsy manatanteraka araka ny teny rehetra izay anirahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao aminay izahay. Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’NY TOMPO Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay. Nony afaka hafoloana dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO. Ary izy dia niantso an’i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin’ny olona rehetra, na kely na lehibe, ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanirahanareo ahy mba hanaborahako eo anatrehany ny fifonanareo: Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany ianareo dia haoriko ianareo fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin’ny loza namelezako anareo. Aza matahotra ny mpanjakan’i Babilona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy NY TOMPO, fa momba anareo Aho ka hamonjy sy hanafaka anareo amin’ny tanany. Ary hataoko mahita famindrampo ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin’ny taninareo. Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ity tany ity izahay ka tsy hihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo fa miteny hoe: Tsia; hankany amin’ny tany Ejipta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon’ny anjomara na hahitanay mosary, ka any no honenanay, dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO ankehitriny ianareo izay sisa amin’ny Joda: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Raha mikiry hankany Ejipta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any dia hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ny tany Ejipta, ary any no hahafaty anareo. Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Ejipta hivahiny any dia ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Toy ny nampidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponina any Jerosalema dia toy izany no hampidinana ny fahatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana ary ho fanozonana sy ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony. NY TOMPO efa nilaza taminareo, ry sisa amin’ny Joda hoe: Aza mankany Ejipta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko ianareo androany. Kanjo namita-tena ihany ianareo tamin’ny nanirahanareo ahy ho any amin’NY TOMPO Andriamanitrareo hiteny hoe: Mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitsika, ary izay rehetra holazain’NY TOMPO Andriamanitsika dia ambarao aminay fa hataonay. Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin’ny tany izay tianareo hivahiniana. Rehefa tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’NY TOMPO Andriamaniny izany, izay nanirahan’NY TOMPO Andriamanitra azy holazaina aminy, dia niteny i Azaria, zanak’i Hosaia, sy i Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao NY TOMPO Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Ejipta; fa i Baroka, zanak’i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tanan’ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babilona. Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ny amin’ny tokony honenany ao amin’ny tanin’ny Joda. Fa i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra, dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ny Joda, izay niverina avy tany amin’ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ny tanin’ny Joda, dia ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy ary ny vehivavy zanaky ny mpanjaka sy ny olona rehetra izay navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Noentiny koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka, zanak’i Neria, ka nankany amin’ny tany Ejipta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO, ary tonga hatrany Tapanesa. Dia tonga tamin’i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’NY TOMPO hoe: Mitondrà vato lehibe maromaro amin’ny tananao ka afeno ao amin’ny rihitra ao amin’ny gorodona tanimanga, izay eo akaikin’ny vavahady amin’ny tranon’i Farao ao Tapanesa, ary ataovy eo imason’ny lehilahy amin’ny Joda izany ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro Aho handefa iraka haka an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko, ka haoriko ambonin’ireto vato nafeniko ireto ny sezafiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy. Eny, ho avy izy hamely ny tany Ejipta ka izay ho amin’ny areti-mandringana dia ho amin’ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana, ary izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra. Ary handrehitra afo ao amin’ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta Aho ka hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Ejipta toy ny fitafin’ny mpiandry ondry ny lambany izy; eny, hiala any amin’ny fiadanana izy. Ary hotorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ao Bety-Semesy, izay any amin’ny tany Ejipta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta. Ny teny izay tonga tamin’i Jeremia ho amin’ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nonina tao Migdola, tao Tapanesa, tao Nofa, ary tany amin’ny tany Patrosa. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda rehetra ianareo; ary indro, efa tany lao ireo ankehitriny ka tsy misy olona monina intsony ao aminy, noho ny ratsy nataony nampahatezitra Azy tamin’ny nandehanany nandoro ditin-kazo manitra sy nanompo andriamanitra hafa izay tsy fantany, na izy, na ianareo, na ny razanareo. Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Miangavy anareo aho, aza manao izany fahavetavetana halako izany. Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin’ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa. Dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan’ny Joda sy ny teny amin’ny lalamben’i Jerosalema izany ka rava sy lao ireny tahaka ny amin’izao anio izao. Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe maningotra ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin’ny Joda ka tsy hisy miangana anareo? Mampahatezitra Ahy ianareo amin’ny asan’ny tananareo sy amin’ny andoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa any amin’ny tany Ejipta izay alehanareo hivahiniana. Izany no haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany? Moa hadinonareo va ny ratsy nataon’ny razanareo sy ny mpanjakan’ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin’ny tanin’ny Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema? Tsy mbola torotoro fo izy na dia mandraka androany aza, sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalànako sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan’ny razanareo. Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra. Ary halaiko ny sisa amin’ny Joda, izay nikiry hankany amin’ny tany Ejipta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin’ny tany Ejipta no hahalavoany, samy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary, eny, izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa. Fa hovaliko toy ny namaliako an’i Jerosalema, izay monina any amin’ny tany Ejipta, dia amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Ary ny sisa amin’ny Joda izay lasa nivahiny any Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra ka ho tafaverina any amin’ny tanin’ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany indray, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany. Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin’ny tany Ejipta, tao Patrosa, dia namaly an’i Jeremia hoe: Raha ny amin’ilay teny voalazanao taminay tamin’ny anaran’NY TOMPO dia tsy hihaino anao izahay. Fa hotanterahinay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ny tanànan’ny Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza. Fa hatramin’izay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy tsy nanidinana fanatitra aidina ho azy izay dia saika tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan’ny sabatra sy ny mosary. Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy dia moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy? Ary hoy i Jeremia tamin’ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra izay namaly azy: Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan’ny Joda sy tany an-dalamben’i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin’ny vahoaka, moa tsy notsarovan’NY TOMPO va izany, ary tsy tao an-tsainy va? Koa dia tsy nahalefitra intsony NY TOMPO noho ny ratsy nataonareo sy noho ny fahavetavetana nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’izao anio izao. Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin’NY TOMPO, fa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianareo, na nandeha araka ny lalànany sy ny didiny ary ny teny vavolombelony, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin’izao anio izao. Hoy koa i Jeremia tamin’ny olona rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry Joda rehetra, izay atỳ amin’ny tany Ejipta: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Samy niteny tamin’ny vavanareo ianareo sy ny vadinareo sady nanatanteraka tamin’ny tananareo ka niteny hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka. Koa henoinareo ny tenin’NY TOMPO, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho efa nianiana tamin’ny anarako lehibe, hoy NY TOMPO, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’ny Joda manerana ny tany Ejipta intsony ny anarako ka hilazany hoe: Raha velona koa Andriamanitra Tompo. Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin’ny Joda, izay atỳ amin’ny tany Ejipta, dia ho ringan’ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritra azy. Ary izay afaka mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tanin’ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ny Joda rehetra izay mankany amin’ny tany Ejipta hivahiny any dia hahafantatra izay ho to teny, na ho Izaho, na ho izy. Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, i Farao-Hofra, mpanjakan’i Ejipta, dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izay fahavalony nitady ny ainy. Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny aminao, ry Baroka: Hoy ianao: Nidiran-doza aho ity fa nampian’NY TOMPO alahelo ny fanaintainako! Efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany! Fa indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy NY TOMPO; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao. Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Jentilisa. Ny amin’i Ejipta. Ny amin’ny miaramilan’i Farao-Neko, mpanjakan’i Ejipta, izay teny amoron’ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Mivonòna amin’ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mandrosoa hiady; fehezo amin’ny kalesy fitondra miady ny soavaly ary itaingeno ny soavaly fitaingina; mijoroa tsara ianareo ka samia misatroka fiarovan-doha; fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tratra. Indrisy inona ity hitako! Raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy NY TOMPO. Tsy ho afa-mandositra ny haingam-pandeha, na ho afaka ny mahery; any avaratra eo amoron’ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy. Iza moa izato mizotra tahaka an’i Neily ary misamboaravoara toy ny renirano ny onjany? Ejipta dia mizotra tahaka an’i Neily sady misamboaravoara toy ny renirano ny onjany; ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy. Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy fitondra miady; ary aoka hiainga ny lehilahy mahery, dia ny Kosy sy ny Pota izay mitana ampinga, ary ny Loda izay mitana sy manenjana tsipìka. Fa izao andro izao dia an’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; dia hihinana ny sabatra ka ho voky ary ho mamon’ny ran’ireo; fa ny Tompo, dia NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ny tany avaratra eo amoron’ny ony Eofrata. Miakara any Gileada ka makà balisama, ry Ejipta zanakavavy virijiny; foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana fanafody hanasitranana ny ferinao ianao. Efa ren’ny firenena ny henatrao ary ny fiantsoantsoanao dia nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery ka miaraka lavo izy roa tonta. Ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hiavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tany Ejipta. Ambaraonareo any Ejipta ary torio any Migdola, eny, torio any Nofa sy Tapanesa ka lazao hoe: Mijoroa tsara ianao ka miomàna; fa mandringana manodidina anao ny sabatra. Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy satria NY TOMPO no nandroaka azy. Efa nahatafintohina ny maro Izy ka lavo mifanindry ireo; dia hoy ireo: Mitsangàna ka andeha isika hiverina ho any amin’ny firenentsika sy ho any amin’ny tany nahaterahantsika ho afaka amin’ny sabatra mandoza. Nantsoina hoe: Tabataba foana i Farao, mpanjakan’i Ejipta, nefa nandiso ny fotoana nifanarahana izy. Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tahaka an’i Tabara amin’ny tendrombohitra sy tahaka an’i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hiaviany. Ry mponina ao Ejipta, ampirimo ny entana hoentinao any amin’ny fahababoana; fa ho tonga tany lao Nofa, eny, hodorana izy ka tsy hisy mponina. Ejipta dia tahaka ny ombivavy kely tena tsara tarehy; Fa injay tamy! Eny, tamy ny fihitra avy any avaratra! Na dia ny olona mpikarama an’ady ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; tsy mahajanona izy fa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy. Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; fa mandeha mitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin’ny famaky toy ny mpikapa hazo. Kapainy ny alany, hoy NY TOMPO, satria efa nikirindro loatra; fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina. Ho afa-baraka i Ejipta zanakavavy, hatolotra eo an-tanan’ny olona any avaratra izy. Ary hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hovaliko i Amona avy any No, ary i Farao sy i Ejipta mbamin’ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia i Farao sy izay rehetra matoky azy; ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Ary aorianan’izany, dia ho azo honenana toy ny tamin’ny andro fahiny ihany indray izy, hoy NY TOMPO. Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Israely! Fa indro, hovonjeko avy any amin’ny tany lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy; dia hiverina i Jakoba ka hiadana, eny, handry fehizay izy ka tsy hisy hanaitaitra azy. Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO, fa momba anao Aho. Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao dia tsy mba holevoniko ianao, nefa kosa mba hanariko araka ny fitsarako ihany ianao fa tsy dia havelako fotsiny. Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Filistina, fony i Farao tsy mbola namely an’i Gaza. Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy; mitaraina ny olona, ary midradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany, noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ny kalesy fitondrany miady ary ny fikotrokotroky ny kodiarany; ary ny ray dia tsy mijery ny zanany fa miraviravy tanana, noho ny hiavian’ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra ta hanampy an’i Tiro sy i Sidona; fa horavan’NY TOMPO ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ny nosy Kaftora. Voaharatra ny lohan’i Gaza, ao anatin’ny fahanginana i Askelona mbamin’ny sisa amin’ny lohasahany; mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao? Indrisy, ry sabatry NY TOMPO! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin’ny tranonao ihany; mitsahara, mijanòna. Hataonao ahoana no fitsahatra? Fa NY TOMPO no nandidy azy, eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina, izay no efa nanendreny azy. Ny amin’i Moaba. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Nidiran-doza i Nebo fa rava! Mangaihay i Kiriataima fa azo; mangaihay i Misgaba sady raiki-tahotra. Tsy misy ho reharehan’i Moaba intsony; tao Hesbona no niheverany izay hampidi-doza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena intsony izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, hanenjika anao ny sabatra. Injay misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be! Rava i Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana. Fa miakatra mitomany tsy misy fiafarany eny amin’ny fiakarana Lohita izy; ary any amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana. Mandosira, vonjeo ny ainareo ary aoka ho tahaka ny anjavidy any an-tany efitra ianareo. Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny harenanao dia ho voasambotra koa ianao; ary i Kemosy dia ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka azy rehetra. Ary ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra ny mpandringana ka tsy hisy tanàna tsy ho azo; ho simba koa ny lohasaha, ary ho rava ny tany lemaka, araka izay nolazain’NY TOMPO. Omeo elatra i Moaba fa hanidina izy ka ho lasa; ary ho lao ny tanànany ka tsy hisy mponina. Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’NY TOMPO atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra! Nandry fehizay i Moaba hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ny faikany, fa tsy mba naidina nafindrafindra siny ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no naharetan’ny tsirony ao aminy sy tsy niovan’ny fofony. Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanirahako olona any aminy, hampihohoka ny fitoeran-divainy ka hanafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny siny hoditrany. Ary ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kemosy, toy ny nahamenatra ny taranak’Israely noho ny amin’i Betela tokiny. Ahoana no ilazanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ady izahay? Rava i Moaba, fa ny tanànany dia efa levon’ny setroka ary nidina ho any amin’ny famonoana ny zatovony voafantina, hoy ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no anarany. Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba ary manatona haingana ny fahoriany. Mitomania azy ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, lazao hoe: Indrisy! Tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy! Ry mponina ao Dibona zanakavavy, midìna hiala amin’ny voninahitrao ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra hamely anao sady mandrava ny fiarovanao. Ry mponina any Aroera mijanòna eny an-dalambe ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Inona no nitranga? Afa-baraka i Moaba, eny, raiki-tahotra izy; midradradradrà sy miantsoantsoa mafy ka ambaraonareo ao Arnona fa rava i Moaba. Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ny tany lemaka, dia ao Holona, Jahaza, Mefata, Dibona, Nebo, Bety-Diblataima, Kiriataima, Bety-Gamola, Bety-Meona, Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky. Voakapa ny tandrok’i Moaba ary tapaka koa ny sandriny, hoy NY TOMPO. Ataovy leon-divay izy fa niavonavona tamin’NY TOMPO; hihosinkosina amin’ny loany i Moaba sady mba ho tonga fihomehezana kosa. Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Israely? Moa hita fa naman’ny mpangalatra va izy no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy? Ry mponina any Moaba! Ilaozy ny tanàna ka mitoera any amin’ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ ampitan’ny hantsana ianao. Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba, fatra-piavonavona loatra mantsy izy, renay ny fireharehany sy ny fiavonavonany ary ny fiaingitrainginy sy ny avonavon’ny fony. Izaho no mahalala ny vavany tafahoatra sy ny fibedibediny foana, hoy NY TOMPO; samy tsinontsinona ireny. Koa hidradradradra noho ny amin’i Moaba aho; eny, hitomany noho ny amin’i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa ny olona. Mihoatra noho ny fitomanian’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao. Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana dia nesorina tamin’ny saha nahavokatra sy tamin’ny tany Moaba; ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy intsony fihobiana rehefa manao fanitsakitsahana voaloboka, raha misy aza dia fihobiana tsy izy akory. Ny fitarainan’i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza, hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-Selisia; fa na dia ny ranon’i Nimrima aza dia ho ritra koa. Ary hatsahatro ao Moaba koa izay miakatra hanatitra amin’ny toerana fanaovana sorona sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamaniny, hoy NY TOMPO. Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’i Moaba, ary ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa, eny, noho izany dia levona ny harena be izay noharìny. Fa nosolaina ny loha rehetra, voaharatra ny somotra rehetra, asiana tetika amin’ny tanana rehetra ary lamba fisaonana no amin’ny andilany. Eny, amin’ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny amin’ny kianja malalaka dia misy fisaonana avokoa; satria torotoroiko toy ny fanaka tsy misy ilàna azy intsony i Moaba, hoy NY TOMPO. Indrisy! Raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! Efa miamboho i Moaba, mangaihay izy ka tonga mampihomehy sady mampatahotra ho an’izay rehetra manodidina azy. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba. Azo ny tanàna Keriota ary azo ny manda fiarovana, ary amin’izany andro izany ny fon’ny lehilahy maherin’i Moaba dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza. Fa horavana tsy ho firenena intsony i Moaba satria niavonavona tamin’NY TOMPO. Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy NY TOMPO. Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ny fandrika; fa hataoko tonga amin’i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy NY TOMPO. Ao amin’ny alokalok’i Hesbona no ijanonan’ny mpandositra satria lany hery ireny; kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona ary lelafo avy any Sihona ka mandevona ny sisin’i Moaba sy ny tampon-dohan’ny mpitabataba. Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao lahy ary hosamborina ny zanakao vavy. Nefa mbola hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany i Moaba amin’ny ho avy, hoy NY TOMPO. Hatreto ny amin’ny fitsarana an’i Moaba. Ny amin’ny taranak’i Amona. Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy manan-janakalahy va Israely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana i Gada no lasan’ny mpanjakany? Ary nahoana ny vahoakany no monina ao amin’ny tanànany? Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampandrenesako akoran’ady amin’ny famelezana an’i Raba an’ny taranak’i Amona, ho tanàna haolo tanteraka izy, hodorana amin’ny afo ny vohitra miankina aminy; ary haka indray ny anjara lovany amin’ireo izay nandroba azy ny Israely, hoy NY TOMPO. Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava i Ay! Miantsoantsoa mafy, ianareo zanakavavin’i Raba! Misikìna lamba fisaonana ianareo; manaova fisaonana ary mandehandehana eo anaty fefin’ny manda; fa lasan-ko babo ny mpanjakany sy ny mpisorony ary ireo mpanapaka azy. Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be, ry zanakavavy mpikomy, izay mitoky amin’ny harenany ka miteny hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko? Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’izay rehetra manodidina anao, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo rehetra sady tsy hisy hamory izay mandositra. Ary rehefa afaka izany dia hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany ny taranak’i Amona, hoy NY TOMPO. Ny amin’i Edoma. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Tsy misy tolo-tsaina intsony va avy amin’ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny? Mandosira, miverena ianareo, mamitsaha ao amin’ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ataoko mihatra amin’i Esao ny loza, dia ny andro hamaliako azy. Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; raha avy alina ny mpangalatra dia tsy hijanona handrava izy raha tsy afa-po. Izaho dia nampitanjaka an’i Esao, ary naharihariko ny fiereny ka tsy mahazo miery intsony izy; ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany ka tsy ao intsony ireny. Ilaozy ny zanakao ho kamboty fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian’ny vadinao mpitondratena. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, moa ho afa-maina va ianao? Tsy ho afa-maina ianao fa tsy maintsy hisotro tokoa. Fa ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO, fa ho tonga figagana i Bozra, ho tonga fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ho lao mandrakizay ny tanànany rehetra. Fa efa nahare filazana avy tamin’NY TOMPO aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny Jentilisa hilaza hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa hamely azy ary mitsangàna hanafika. Fa indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ny firenena ianao ary fanazimbazimba eo amin’ny olona, ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao; fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO. Ho figagana i Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy. Toy ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna teny akaikiny, hoy NY TOMPO, no tsy hisian’ny olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any. Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy, satria hampandosiriko tampoka hiala tao Edoma, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako? Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, toy ny kely indrindra amin’ny andian’ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; ny feon’ny fitarainany dia re hatrany amin’ny Ranomasina Mena. Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin’i Bozra; ary amin’izany andro izany, ny fon’ny lehilahy maherin’i Edoma dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ny amin’i Damaskosy. Very hevitra i Hamata sy i Arpada fa nandre filazana loza izy ka kivy; misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tony. Efa ketraka i Damaskosy ka mihodina handositra fa tora-kovitra izy; ary azon’ny faharariana sy ny fanaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana. Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanàna nifaliako? Noho izany dia hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana avokoa ny miaramila rehetra amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin’ny mandan’i Damaskosy, handevona ny lapan’i Beny-Hadada. Ny amin’i Kedara sy ny fanjakan’i Hazora, izay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona. Izao no lazain’NY TOMPO: Mitsangàna ianareo ka miakara hamely an’i Kedara ary aringano ny zanaky ny Atsinanana. Halainy ny tranolainy sy ny ondry aman’osiny, hoentiny ny ambaindainy mbamin’ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy izy hoe: Misy fampangorohoroana manodidina! Mandosira ka mandehana lavitra! Mamitsaha any amin’ny lalina, ry mponina any Hazora! Hoy NY TOMPO; fa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hahavoa anareo. Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy NY TOMPO, dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka-monina. Ho babo ny ramevany ary horobaina ny omby aman’ondriny betsaka, haeliko ho any amin’ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; ary hoentiko avy amin’ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy NY TOMPO, Ary i Hazora dia ho fonenan’ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; tsy hisy olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any. Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan’i Elama, izay fototry ny heriny. Ary hitondra rivotra efatra avy amin’ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an’i Elama. Ary haeliko ho amin’izany rivotra rehetra izany izy ka tsy hisy firenena izay tsy halehan’ny voaroaka avy any Elama. Fa hampivadi-po an’i Elama eo anoloan’ny fahavalony sy eo anoloan’izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan’ny fahatezerako, hoy NY TOMPO; ary hampanenjehiko azy ny sabatra mandra-pandaniko azy; Dia hapetrako ao Elama ny sezafiandrianako, ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy NY TOMPO. Nefa amin’ny ho avy dia mbola hampodiko avy amin’ny fahababoany ihany i Elama, hoy NY TOMPO. Izao no teny nampilazain’NY TOMPO an’i Jeremia mpaminany ny amin’i Babilona, dia ny tanin’ny Kaldeana. Ambaraonareo, eny, torio any amin’ny firenena, ary manangàna faneva, torio fa aza afenina, lazao hoe: Azo i Babilona! Mangaihay i Bela, raiki-tahotra i Merodaka! Eny, mangaihay ireo sarin-javatra nataony ary raiki-tahotra ny sampiny! Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa. Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia ho avy ny Zanak’Israely, dia izy mbamin’ny taranak’i Joda; eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady NY TOMPO Andriamaniny. Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hiatrika hankany ka hiteny hoe: Avia ka maneke NY TOMPO amin’ny fanekena mandrakizay tsy hohadinoina. Ondry very ny oloko, fa nampirenireny azy ny mpiandry azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny ka hadinony ny tany fatoriany. Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony dia niteny hoe: Tsy manan-keloka izahay satria nanota tamin’NY TOMPO, fonenan’ny fahamarinana izy, dia NY TOMPO, fanantenan’ny razany. Mandosira hiala an’i Babilona, eny, mialà amin’ny tanin’ny Kaldeana, ary aoka ho tahaka ny osy mitari-dalana ny andian’ondry ianareo. Fa indro, hanaitra sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’i Babilona Aho; ary ireo dia hilahatra hamely azy, koa avy ao no hahazoany azy; ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay ny zana-tsipìkany ka tsy miverina foana. Ary ho voababo i Kaldea; izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy NY TOMPO. Satria mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely eny amin’ny ahitra ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka; ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; indro, izy no farany amin’ny firenena, tany efitra sy tany karankaina ary tany ngazana! Noho ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy honenana i Babilona fa ho tonga tany lao avokoa; izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy. Milahara manodidina an’i Babilona hamelezana azy, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; asio izy, fa aza tsitsìna ny zana-tsipìka, fa tamin’NY TOMPO no nanotany. Akoray manodidina izy! Manatsotra ny tanany izy; nirodana ny fotony, rava koa ny mandany; fa famalian’NY TOMPO izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa. Aringano tsy ho any Babilona ny mpamafy sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny fararano; fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy. Ondry iray very lalana ny Israely, liona no nanenjika azy. Ny voalohany nandany azy dia ny mpanjakan’i Asiria, ary ny farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ity izay nanapatapaka ny taolany. Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hovaliko ny mpanjakan’i Babilona sy ny taniny, toy ny efa namaliako ny mpanjakan’i Asiria. Ary hampodiko ho any amin’ny saha fiandrasana azy indray ny Israely ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; ary any amin’ny tany be havoana any Efraima sy Gileada no hahavoky azy. Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia hotadiavina izay heloky ny Israely fa tsy hisy; ary izay fahotan’ny Joda fa tsy ho hita; satria havelako ny helok’izay sisa narovako. Iakaro i Merataima sy ny mponina ao Pekoda, ravao sy aringano ho toy ny zavatra voaozona ireo, hoy NY TOMPO, ary tanteraho izay rehetra nandidiako anao. Misy tabataban’ady amin’ny tany ary misy fandringanana be. Indrisy! Tapaka sy torotoro ilay tantanana namely ny tany rehetra; efa tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona. Nofandrihako ianao, ry Babilona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; hita ka voasambotra koa ianao satria nila ady tamin’NY TOMPO. Novohan’NY TOMPO ny trano fitoeram-piadiany ka navoakany ny fitaovan’ny fahatezerany; fa misy raharaha hataon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, any amin’ny tanin’ny Kaldeana. Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontam-bary, ka levòny ho toy ny zavatra voaozona avokoa izay ao, fa aza avela hisy sisa ho azy. Vonoy ireo ombilahy rehetra ary aoka hidina ho any amin’ny famonoana ireo. Mahita loza izy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy. Injany misy feon’izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ny tany Babilona, hanambara ny famalian’NY TOMPO Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny. Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’i Babilona, dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; mitobia manodidina hamely azy; aoka tsy hisy ho afa-miala izy; valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony no mba ataovy aminy kosa; fa niavonavona tamin’NY TOMPO izy, dia tamin’ny Iray Masin’ny Israely. Koa hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO. Indro, hiatrika anao Aho, ry Babilona mpiavonavona, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao. Ho tafintohina i Babilona mpiavonavona dia ho lavo ka tsy hisy hanarina azy; ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho ka handevona ny manodidina azy rehetra izany. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Niara-nampahorina ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda: ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy. Mahery anefa ny Mpanavotra azy, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany; handahatra ny adiny tokoa Izy mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babilona kosa. Indro, hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin’ny mponina any Babilona sy ny mpanapaka azy ary ny olon-kendriny, hoy NY TOMPO. Indro, hisy sabatra hamely ny mpibedibedy ka ho very saina ireny; Indro, hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny ka hivadi-po ireny. Indro, hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady mbamin’ny olona samihafa firenena rehetra ao aminy ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro, hisy sabatra hamely ny trano fitahirizany ka horobaina izany. Ny fihantonan’ny andro no mahatankina ny ranony; fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary mahalasa adala azy ny sampiny mahatahotra. Koa ny bibidia any an-tany efitra sy ny kary ary ny aotirisy no honina ao; tsy honenana intsony izany mandrakizay ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna eny akaikiny, hoy NY TOMPO, no tsy hisian’ny olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any intsony. Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro izay mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany. Tsipìka sy lefona no entiny; lozabe sy tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy, ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, ady hamelezana anao, ry Babilona zanakavavy. Efa ren’ny mpanjakan’i Babilona ny lazany ka miraviravy tanana izy; fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana. Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy; nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy; fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako? Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Babilona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ny ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. Noho ny antsoantso hoe: Efa azo i Babilona, dia mihorohoro ny tany ary ny fitarainana dia re any amin’ny firenena. Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hampirisihiko ny fanahin’ny mpandringana hamely an’i Babilona sy izay monina ao Leba-Kamay. Ary handefa iraka hafa firenena ho any Babilona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; fa hamely azy manodidina amin’ny andro fahoriana ireo. Izay manenjana tsipìka mbamin’izay miandranandrana amin’ny akanjo fiarovan-tratrany, dia aoka samy hasian’izay manenjana tsipìka; aza tsitsìnareo ny zatovony, aringano toy ny zavatra voaozona avokoa ny miaramilany rehetra mba hiampatrampatra any amin’ny tanin’ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra eny an-dalamben’i Babilona. Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ireo ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin’ny Iray Masin’ny Israely aza ny taniny. Mandosira hiala an’i Babilona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo, fa izao no andro famalian’NY TOMPO; Izy no hamaly azy. Babilona dia kapoaka volamena teny an-tanan’NY TOMPO, izay nahamamo ny tany rehetra; efa nisotroan’ny firenena ny divainy, koa izany no nahavery saina ireny. Tampoka no naharavan’i Babilona sy nahatorotoro azy; idradradradrao izy; makà balisama hatao amin’ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy. Nitady hanasitrana an’i Babilona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; afoizo izy ka andeha isika samy handeha ho any amin’ny tanintsika avy; fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin’ny rahona. Nasehon’NY TOMPO ny fahamarinantsika; andeha ka aoka hambarantsika ao Ziona ny asan’NY TOMPO Andriamanitsika. Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; NY TOMPO efa nanaitra ny fanahin’ny mpanjakan’ny Mediana; fa ny hamely an’i Babilona no nosaininy mba handringanana azy; famalian’NY TOMPO izany, eny, famaliana noho ny tempoliny. Manangàna faneva hamelezana ny eo akaikin’ny mandan’i Babilona; ataovy mafy ny fiambenana; alatsaho ny mpiambina, alamino ny vela-pandrika; fa NY TOMPO sady efa nisaina no nanatanteraka izay nolazainy ny amin’ny mponina any Babilona. Ianao izay monina eny amoron’ny ranobe sady manana harena be dia be, tonga ny fiafaranao ka tsy hisy intsony ny filanao harena. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao nianiana tamin’ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao. Tamin’ny heriny no nanaovany ny tany, tamin’ny fahendreny no nanorenany izao tontolo izao ary tamin’ny fisainany no namelarany ny lanitra. Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy tany amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho an’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany. Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; menatra ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ny sarin-javatra voasokitra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika satria tsy misy fofonaina ao aminy. Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba, fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Israely no firenena lovany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Langilangiko sy fiadiako ianao; fa ianao no nentiko nanorotoro firenena; ianao no nentiko nandringana fanjakana; ianao no nentiko nanorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy; ianao no nentiko nanorotoro ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingina azy; ianao koa no nentiko nanorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy; ianao no nentiko nanorotoro ny antitra sy ny tanora; ianao no nentiko nanorotoro ny zatovolahy sy ny zatovovavy; ianao koa no nentiko nanorotoro ny mpiandry ondry sy ny andian’ondry; ianao no nentiko nanorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny miray zioga; ianao no nentiko nanorotoro ny governora sy ny lefiny. Ary hampanodiaviko an’i Babilona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy NY TOMPO. Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza, izay mandringana ny tany rehetra, hoy NY TOMPO; ary hatsotrako ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra. Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; fa ho lao mandrakizay ianao, hoy NY TOMPO. Manangàna faneva eny amin’ny tany; mitsofa anjomara any amin’ny firenena; manendre firenena hamely azy; antsoy ny fanjakan’i Ararata sy i Miny ary i Askenaza hamely azy; asio mpitari-tafika hamely azy; mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina. Manendre firenena sy ireo mpanjakan’ny Mediana hamely azy; ao koa ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany. Mihorohoro sy mangovitra ny tany fa tanterahina amin’i Babilona ny fikasan’NY TOMPO rehetra mba hahatonga ny tany Babilona ho lao tsy misy mponina intsony. Nitsahatra tamin’ny ady ny lehilahy maherin’i Babilona, nitoetra tao amin’ny manda fiarovana izy, lany ny heriny; tonga toy ny vehivavy izy; nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny. Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny mba hanambara amin’ny mpanjakan’i Babilona fa azo ny tanànany manontolo. Ary efa azo ny lalana fiampitàna ary nodorany tamin’ny afo ny heniheny sady toran-kovitra ny miaramila. Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Babilona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ny andro anosena azy; ary vetivety foana dia ho avy ny andro hijinjana azy. Efa lanin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izahay; naringany izahay; napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; nateliny toy ny fitelin’ny mamba izahay; nivokisan’ny kibony ny zavatra tena tianay ka nandroaka anay izy. Aoka ny mponina ao Ziona hiteny hoe: Hanody an’i Babilona anie ny loza nanjo ahy sy nihatra tamin’ny nofoko! Ary aoka i Jerosalema hiteny hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako! Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hisolo vava anao amin’ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao ary horitiko ny ranomasiny, ary hataoko tankina ny loharanony. Ho tonga korontam-bato i Babilona, ho fonenan’ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra ka tsy hisy mponina intsony. Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; hikaonkaona toy ny zanaky ny liona izy. Raha mbola liana izy dia hanaovako fanasana ho azy ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy NY TOMPO. Hampidiniko toy ny zanak’ondry ho any amin’ny famonoana izy, ary toy ny ondrilahy mbamin’ny osilahy. Endre! Azo i Sesaka! Ary azo ilay fideran’ny tany rehetra, endre! Tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona. Nanafotra an’i Babilona ny ranomasina; voasaron’ny habetsahan’ny onjany izy. Ny tanànany dia lao sy karankaina ary ngazana, dia tany tsy onenan’ny olona sady tsy misy zanak’olombelona mamakivaky eo. Ary i Bela dia hampijaliako any Babilona ka hasaiko haloany izay nateliny; ary tsy hitanjozotra hankany aminy intsony ny firenena; ny mandan’i Babilona dia hirodana. Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo mba tsy ho azon’ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO. Ary andrao ho ketraka ny fonareo ka hatahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ny tany; fa amin’ny taona iray dia misy tsaho, ary amin’ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa; zava-doza fa mpanjakazaka no mamely mpanjakazaka hafa. Koa indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatra voasokitr’i Babilona; ho menatra ny taniny rehetra; ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy. Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’i Babilona satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy NY TOMPO. Toy ny nampiampatramparan’i Babilona ny faty tamin’ny Israely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ny faty amin’ny tany rehetra, noho ny amin’i Babilona. Ianareo izay tsy voan’ny sabatra dia mialà fa aza mijanona; tsarovy NY TOMPO raha mbola lavitra ianareo, ary aoka ho an-tsainareo i Jerosalema. Nahatsiaro menatra izahay fa nandre latsa; nanarona ny tavanay ny henatra; fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ny fitoerana masina amin’ny tranon’NY TOMPO. Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; ary hitoloko manerana ny taniny rehetra ny voatrobaka. Na dia miakatra any an-danitra aza i Babilona, ary na dia ataony mafy aza ny manda mafy sady avo izay heriny dia avy Amiko no hiavian’ny mpandringana azy, hoy NY TOMPO. Injany misy feo mitaraina avy any Babilona ary fandringanana be avy any amin’ny tanin’ny Kaldeana! Fa NY TOMPO mandrava an’i Babilona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny ranobe ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ny firohondrohony. Fa tonga ao aminy, dia ao Babilona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; tapatapaka avokoa ny tsipìkany satria NY TOMPO dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa. Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny mpiady maheriny; ary hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, izay antsoina hoe: Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ny manda matevina any Babilona dia horavana tanteraka hatramin’ny fanorenany ary hodorana amin’ny afo ny vavahadiny avo. Koa ho foana ny nisasaran’ny firenena ary ho nisasatra ho an’ny afo ny olona ka ho reraka. Ny teny izay nandidian’i Jeremia mpaminany an’i Seraia, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho any Babilona tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Seraia no lehiben’ny fandraharahana. Ary nosoratan’i Jeremia tao amin’ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an’i Babilona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin’i Babilona. Ary hoy i Jeremia tamin’i Seraia: Rehefa tonga any Babilona ianao dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo ka lazao hoe: TOMPO ô, Ianao no niteny hamely ity tany ity ka handringana azy ary tsy hisy hitoetra eto, na olona, na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy. Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy, koa teneno hoe: Toy izao no hilentehan’i Babilona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ary ho reraka izy. Hatreto no tenin’i Jeremia. Iraika amby roapolo taona i Zedekia, raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran’ny reniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia avy any Libna. Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, araka izay rehetra fanaon’i Joiakima. Fa ny fahatezeran’NY TOMPO no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy ny Joda ka nandroahany azy tsy ho eo anatrehany. Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babilona i Zedekia. Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema; nitoby tandrifiny izy sady nanao tovon-tany manodidina azy. Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin’ny fahiraika amby folo taona nanjakan’i Zedekia mpanjaka. Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an’ny olona tompon-tany intsony. Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady teo anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana mantsy dia nanodidina ny tanàna. Nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy ireo. Ary nanenjika ny mpanjaka ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra. Voasambotra ny mpanjaka ka noentiny niakatra ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tany Ribla any amin’ny tany Hamata, dia notsaraina tao izy. Ary ny mpanjakan’i Babilona dia namono ny zanakalahin’i Zedekia teo imason’ny rainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla. Ary nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona ary nataony tao an-tranomaizina mandra-pahafatiny. Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahasivy amby folo nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, mpanompon’ny mpanjakan’i Babilona, ka nandoro ny tranon’NY TOMPO sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tany Jerosalema: Ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ny afo avokoa. Ary ny manda rehetra manodidina an’i Jerosalema dia noravan’ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay nanaraka ny lehiben’ny mpiambina. Ary ny sasany tamin’ny olona mahantra mbamin’ny olona sisa tao an-tanàna sy izay nandositra nanatona ny mpanjakan’i Babilona mbamin’ny vahoaka marobe sisa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo avokoa. Nefa ny olona mahantra dia namelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany. Ary ireo andry varahina teo amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoerana koveta be sy ny koveta be varahina, izay teo amin’ny tranon’NY TOMPO, dia novakivakin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina rehetra. Noentiny koa ny vilany fandraofan-davenona, ny sotron’afo, ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely mbamin’ny fanaka varahina rehetra izay noentina nanaovana fanompoam-pivavahana. Noentin’ny lehiben’ny mpiambina koa ny lovia, ny fitoeran-davenon-jiro, ny lovia famafazana, ny fandraofan-davenona, ny fitoeran-jiro, ny lovia kely, ny kapoaka; na ny volamena na ny volafotsy dia samy noentin’ny lehiben’ny mpanapaka avokoa; lasany koa ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ny omby varahina roa amby folo, izay teo ambanin’ny fitoeran’ny koveta lehibe, izay nataon’i Solomona mpanjaka ho an’ny tranon’NY TOMPO; ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja. Fa ny andry, dia valo amby folo hakiho no haavony, ary roa amby folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy. Nisy lohany varahina teo aminy; dimy hakiho no haavon’ny lohany iray ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny lohany, samy varahina avokoa izany. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mbola tahaka izany ihany koa. Nisy ampongabendanitra enina amby sivifolo kosa teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato. Ary ny lehiben’ny mpiambina dia nisambotra an’i Seraia mpisoronabe sy i Zefania mpisorona manarakaraka azy ary ny mpiambina varavarana telo lahy; tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin’ireo mpitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna; nosamboriny koa ny mpitantsoratry ny lehiben’ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enimpolo lahy izay hita teo an-tanàna. Nosamborin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ireo ka noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla. Dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla any amin’ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny. Izao no olona izay noentin’i Nebokadnezara ho babo: Tamin’ny taona fahafito dia Jiosy telo amby roapolo sy telo arivo; tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara dia roa amby telopolo sy valonjato no olona noentiny ho babo avy tany Jerosalema; tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efapolo sy fitonjato no noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin’izy rehetra dia eninjato sy efatra arivo. Tamin’ny andro fahadimy amby roapolo tamin’ny volana faharoa amby folo, tamin’ny taona fahafito amby telopolo taorianan’ny namaboana an’i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona vao nanjakan’i Evila-Merodaka, mpanjakan’i Babilona, dia nasandrany hiala tao an-tranomaizina i Joiakina, mpanjakan’ny Joda. Dia nitenenany soa izy ka ny sezafiandrianany dia nataony ambony noho ny sezafiandrianan’ireo mpanjaka namany tao Babilona. Koa novan’i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-tranomaizina; ary nihinan-kanina teo anatrehan’ny mpanjaka mandrakariva izy tamin’ny andro niainany rehetra. Ary ny fivelomany dia nomena tsy tapaka avy amin’ny mpanjakan’i Babilona, araka ny tokony ho anjarany isanandro isanandro tamin’ny andro rehetra niainany, mandra-pahafatiny. Indrisy! Mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ny firenena sady andriambavy tamin’ny fari-piadidiana samihafa dia manjary miasa an-terivozona. Mitomany mafy izy amin’ny alina, ary ny ranomasony dia manorika amin’ny takolany. Izay rehetra tia azy dia tsy mba misy mampionona azy; ny sakaizany rehetra dia efa nivadika taminy ka tonga fahavalony. Lasan-ko babo ny Joda, ory sady vesaran’ny fanompoana; mipetraka any amin’ny Jentilisa izy ary tsy mahita fitsaharana; izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo anivon’ny fahoriam-be. Ireo lalana mankany Ziona dia misaona satria tsy misy tonga amin’ny fotoam-piravoravoana; rava ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; ory ny virijininy ary i Ziona dia azon’ny fahoriana mangidy. Ny mpanohitra azy no nanjary mpitondra, ny fahavalony no miadana satria NY TOMPO efa nampahory azy noho ny hamaroan’ny fahotany; ny zanany madinika aza dia lasan-ko babo eo anoloan’ny rafiny. Niala tamin’i Ziona zanakavavy ny voninahiny manontolo; ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, ary mandeha tsy misy hery eo anoloan’ny mpanenjika azy izy. Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatramin’ny ela; fa nony lavo teo an-tanan’ny fahavalo ny olony ka tsy nisy namonjy azy dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany. Tena nanota tokoa i Jerosalema ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy satria nahita ny fitanjahany ireny; eny, izy tenany aza dia misento ka mihemotra. Ny fahalotoany dia teo amin’ny morontongotr’akanjony; tsy nihevitra izay ho aviny izy; mampitolagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. TOMPO ô, jereo ny fahoriako fa mirehareha ny fahavalo. Ny fahavalo dia nanatsotra ny tanany tamin’ny zava-tsoany rehetra; fa hitany tafiditra ao amin’ny fitoerany masina ny Jentilisa izay noraranao tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao. Misento ny olony rehetra mitady mofo; eny, atakalony hanina ny zava-tsoany mba hampody ny ainy; jereo, TOMPO ô, ka diniho fa vingavingaina aho. Mba tsy ho aminareo rehetra izay mandalo amin’ny lalana anie izao! Diniho sy jereo raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’NY TOMPO ahy tamin’ny andro nirehetan’ny fahatezerany. Avy tany amin’ny avo no nandatsahany afo ho amin’ny taolako, Izy no mandefa izany; namelatra harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; nampahalao ahy Izy sady nampahareraka ahy mandritra ny andro. Ny ziogan’ny fiodinako dia nofehezin’ny tanany; mifaningotsingotra ireny ka tonga teo an-katoko; noketrahiny ny heriko; eny, natolotry ny Tompo ho eo an-tanan’izay tsy leoko aho. Nataon’ny Tompo tsinontsinona ny mahery rehetra izay niaraka tamiko; nanendry fotoam-piravoravoana hamelezana ahy Izy, hamotehana ny zatovoko; nanosihosy an’i Joda zanakavavy virijiny teo amin’ny famiazam-boaloboka ny Tompo. Izany zavatra izany no mampitomany ahy; ny masoko; eny, mandrotsa-dranomaso ny masoko satria lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; ringana ny zanako satria mahery ny fahavalo. Manatsotra tanana i Ziona, nefa tsy misy mampionona azy; NY TOMPO nandidy ny amin’i Jakoba, mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan’ireo. Marina NY TOMPO, fa izaho kosa dia nandà ny teniny; ry firenena rehetra, mihainoa re! Mba jereo ny fahoriako; ny virijiniko sy ny zatovoko dia lasan-ko babo. Nantsoiko ireo tia ahy, nefa nofitahiny aho; ny mpisoroko sy ny loholoko dia niala aina tao an-tanàna raha teo am-pitadiavana hanina mba hampody ny ainy. Jereo, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny ato anatiko; miontana ato anatiko ny foko satria naditra loatra aho; eny ivelany dia ny sabatra no mandripaka ny zanako, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana. Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; ny fahavaloko rehetra dia nandre ny fahavoazako ka faly satria Ianao no nahavita izany; hahatonga ny andro izay nolazainao Ianao. Mba ho tahaka ahy koa anie ireo. Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; fa betsaka ny fisentoako ka reraka ny foko. Indrisy! Amin’ny fahatezerany no anaronan’ny Tompo rahona an’i Ziona zanakavavy, nazerany avy tany an-danitra ho amin’ny tany ny reharehan’ny Israely, ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin’ny andron’ny fahatezerany! Natelin’ny Tompo ny fonenan’i Jakoba rehetra fa tsy nisy niantrany; noravany an-katezerana ny mandan’i Joda zanakavavy ka nazerany tamin’ny tany, notsiratsirainy ny fanjakana sy ny mpanapaka eo aminy. Nokapainy tamin’ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Israely rehetra; nahemony teo anoloan’ny fahavalo ny tanany ankavanana, ary nandoro an’i Jakoba toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina Izy. Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro nanatsotra ny tanany ankavanana toy ny mpanohitra Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ny tranolain’i Ziona zanakavavy. Tonga toy ny fahavalo ny Tompo ka nitelina ny Israely. Eny, nateliny ny lapany rehetra sady noravany ny manda fiarovany; nampitomboiny tao amin’i Joda zanakavavy tokoa ny sento sy ny taraina. Noravany an-keriny toy ny tanimboly ny fefiny sady noravany ny toeram-piravoravoany; nataon’NY TOMPO hadino tao Ziona ny fotoam-piravoravoana sy ny Sabata ka nolaviny tamin’ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona. Narian’ny Tompo ny alitarany, nolaviny ny fitoerany masina; natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapa ao Ziona; nisy nanandra-peo tao amin’ny tranon’NY TOMPO toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana. NY TOMPO no ninia nandrava ny mandan’i Ziona zanakavavy; nanenjana ny kofehy fandrefesana Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy ka miara reraka ireo. Ny vavahadiny dia tototry ny tany sady nosimbany no nopotipotehiny ny hidiny; ny mpanjakany sy ny andriana eo aminy dia efa any amin’ny firenena hafa; tsy misy lalàna intsony, eny fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’NY TOMPO intsony. Ny loholon’i Ziona zanakavavy dia mipetraka amin’ny tany ka mangina; nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; mampitanondrika ny lohany ho amin’ny tany ny virijiny any Jerosalema. Bongo ny masoko azon’ny ranomaso, mandevilevy ny ao anatiko; nararaka tamin’ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna. Manontany ny reniny izy ireo hoe: Aiza izay vary sy divay? Ana toy ny voatrobaka eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna izy ireo, ary miala aina eo ampofoan-dreniny. Inona no hampitoviako aminao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao, mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijiny? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao? Ny mpaminaninao dia nilaza fahitana mandainga sy mamitaka ho anao sady tsy nampiseho ny helokao mba hiarovany anao tsy ho babo; eny, nahita faminaniana lainga sy fampivilian-tsaina ho anao izy. Miteha-tanana noho ny aminao izay rehetra mandalo eny an-dalana; misiaka maneso sady mihifikifi-doha ny amin’i Jerosalema zanakavavy izy ka miteny hoe: Ity va ilay tanàna izay nolazainy hoe fanaperan’ny hatsaran-tarehy, fifalian’ny tany rehetra? Mitanatana vava aminao ny fahavalonao rehetra; misiaka maneso sy mihidy vazana izy ka miteny hoe: Natelinay! Ity tokoa ilay andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay. NY TOMPO efa nanatanteraka izay nosaininy ka nahatò ny teniny izay didy nomeny hatramin’ny andro fahagola; nandrava Izy, fa tsy niantra; ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafinao. Mitaraina amin’ny Tompo ny fony. Ry mandan’i Ziona zanakavavy! Mandrotsaha ranomaso andro aman’alina toy ny riaka; aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao. Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ny alina hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana, aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ny Tompo ny fonao! Asandrato Aminy ny tananao hifona ho an’ny ain’ny zanakao madinika izay reraky ny hanoanana eny an-joron-dalana rehetra eny. TOMPO ô, jereo ka diniho ny olona izay nanaovanao izany. Hihinana ny ateraky ny kibony va ny vehivavy, dia ny zanany madinika izay notezainy am-pitiavana? Hovonoina ao amin’ny fitoerana masina an’ny Tompo va ny mpisorona sy ny mpaminany? Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalana ny tanora sy ny antitra; ny virijiniko sy ny zatovoko dia lavon’ny sabatra; novonoinao tamin’ny andro fahatezeranao izy ireo; eny, naripakao, fa tsy niantranao. Niantso ny fampihorohoroana hanodidina ahy toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana ianao ka tsy nisy sisa afa-nandositra tamin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; izay notezaiko am-pitiavana sy nobeaziko aza dia lanin’ny fahavaloko. Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ny tsorakazon’ny fahatezerany. Izaho dia notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ny maizina, fa tsy ho amin’ny mazava. Izaho ihany no asian’ny tanany isanandro. Nataony mikainkona ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako. Manorina manda hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ny zava-mangidy sy ny fahoriana. Ampitoeriny ao amin’ny maizina toy izay efa maty hatrizay aho. Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-niala, nataony mavesatra ny gadrako. Ary na dia mitaraina sy miantso vonjy aza aho dia sakanany ny vavaka ataoko. Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, ary naolikoliny ny alehako. Tonga bera manao vela-pandrika ho ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ny fierena. Namily ny lalako Izy ary noviravirainy aho ka navelany ho lao. Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nametraka ahy ho toy ny marika hokendrena amin’ny zana-tsipìka. Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ny voako Izy. Tonga fihomehezan’ny oloko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro. Novokisany anana mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty. Notorotoroiny tamin’ny vato kely ny nifiko sady natsinkasinkasiny tamin’ny lavenona aho. Noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko ka hadinoko ny fahasambarana. Dia hoy aho: Very ny lazako sy ny fanantenako NY TOMPO. Tsarovy ny fahantrako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mangidy sy ny poizina. Tsaroako tokoa izany ka mitanondrika aho. Izany no eritreretiko ato am-poko ka mahatonga ahy hanantena. Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika satria tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. NY TOMPO no anjarako, hoy ny fanahiko, ka mahatonga ahy hanantena Azy izany. Tsara NY TOMPO amin’izay miandry Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy. Tsara ny manantena ny famonjen’NY TOMPO amim-pahanginana. Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga amin’ny fahatanorany. Aoka hipetraka irery izy ka hangina rehefa ampitondraina izany. Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ny vovoka izy fa angamba mbola hisy fanantenana. Aoka hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy izy ka ho feno latsa. Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; eny, na dia mampahory aza Izy dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony, satria tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona. Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ny tany ho eo ambanin’ny tongotra, ny familiana ny rariny amin’ny olona eo anatrehan’ny Avo Indrindra, ny famadihana ny adin’ny olona, moa tsy samy jeren’ny Tompo va? Iza moa no miteny ka mahatanteraka izany, raha tsy didy avy amin’ny Tompo? Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no ivoahan’ny soa sy ny ratsy? Koa nahoana no mitaraina ny olona velona, fa aoka ny olona samy hisento noho ny amin’ny fahotany. Aoka isika handinika ny lalantsika sy hamantatra azy ka hiverina indray amin’NY TOMPO. Aoka hasandratsika ny fontsika sy ny tanantsika ho any amin’Andriamanitra any an-danitra. Izahay dia efa nanota sy naditra, ary Ianao tsy namela heloka! Nisarona fahatezerana Ianao ka nanenjika anay; novonoinao izahay fa tsy niantranao. Nisarona rahona Ianao ka voasakana ny vavaka. Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ny olona izahay. Ny fahavalonay rehetra dia mitanatana vava aminay. Nanjary tahotra sy lavaka ho anay izany, sady faharavana sy fahatorotoroana. Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy. Ny masoko dia mandrotsa-dranomaso ka tsy misy fijanonany; eny, tsy misy fiatoana, ambara-pitazan’NY TOMPO ka hitsinjovany avy any an-danitra. Ny masoko dia mampahory ny fanahiko noho ny amin’ny zanakavavin’ny tanànako rehetra. Manenjika ahy mafy, toy ny fanenjika voronkely ny fahavaloko tsy amin’antony. Nanjera ahy tao an-davaka famorian-drano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy. Mandifotra ny lohako ny rano ka hoy aho: Maty aho ity! TOMPO ô, niantso ny anaranao avy tany an-davaka lalina indrindra aho. Ny feoko dia efa renao ka aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. Nanakaiky Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao ka hoy Ianao: Aza matahotra. Tompo ô, Ianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko; eny, Ianao no nanavotra ny aiko. TOMPO ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko ka mba tsarao ny adiko. Hitanao ny valifaty rehetra ataon’ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy. TOMPO ô, renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy, ny molotr’izay mitsangana hanohitra ahy sy ny fimonomononany mandritra ny andro hamelezany ahy. Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho. Hovalianao izy, TOMPO ô, araka ny asan’ny tanany. Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao. Henjehinao amin’ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitry NY TOMPO. Indrisy! Tonga matromatroka ny volamena; niova ny volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia naely eny an-joron-dalambe rehetra eny. Ny zanaka sarobidin’i Ziona izay nosandaina tahaka ny volamena tsy miharo dia indrisy, efa atao toy ny siny tany, asan’ny tanan’ny mpanefy tanimanga! Na ny amboahaolo aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; fa ny oloko zanakavavy kosa dia tonga masiaka toy ny aotirisy any an-tany efitra. Ny lelan’ny zaza minono dia miraikitra amin’ny lanilaniny noho ny hetaheta; ny ankizy madinika dia mangataka mofo, nefa tsy misy mizara ho azy. Izay nihinana hanim-py dia miala aina eny an-dalambe; izay notezaina tamin’ny jaky dia mamihina zezika. Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’i Sodoma izay noravana indray mipy maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory, Ny Naziritany dia mangatsakatsaka noho ny fanala; eny, fotsy noho ny ronono; mena noho ny voahangy ny tenany, ary tahaka ny vato safira ny endriny. Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny ka tsy misy mahafantatra azy eny an-dalana; miraikitra amin’ny taolany ny hodiny ka tonga maina toy ny hazo. Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary, fa mihareraka toy ny voatrobaka ihany izy noho ny tsy fisian’ny vokatry ny saha. Ny tanan’ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany; eny, izany no nohaniny tamin’ny fandringanana ny oloko zanakavavy. Tanterahin’NY TOMPO ny fahavinirany ka naidiny ny fahatezerany mirehitra; nampirehitra afo tao Ziona Izy handevonana ny fanorenany. Ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny mpanohitra sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ny vavahadin’i Jerosalema. Noho ny fahotan’ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony izay nandatsaka ny ran’ny marina tao aminy no nahatonga izao. Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, mihosin-dra rahateo ny tenany ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony. Ny olona dia niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo fa maloto! Mialà! Mialà! Aza mikasika anay! Raha nandositra sy niraparapa izy dia hoy ny olona tany amin’ny hafa firenena: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny. Ny tavan’NY TOMPO no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; ny mpisorona dia tsy hajain’ireny ary ny antitra dia tsy amindrany fo. Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjena anay; nitazana teo amin’ny tilikambo fitazanana izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay. Mitsongo dia anay izy ka tsy mahazo mandeha izahay na dia eny an-dalambe aza; akaiky ny fara fiainanay, tapitra ny andronay; eny, tonga ny fara fiainanay. Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ka milomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manao vela-pandrika ho anay any an-tany efitra. Ny fofonainay, ilay voahosotry NY TOMPO, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ny alokalony no hahavelona anay any amin’ny hafa firenena. Mifalia sy miravoravoa ihany, ry Edoma zanakavavy izay monina any amin’ny tany Oza; ianao koa no horosoana ny kapoaka ka ho mamo sy hitanjaka. Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy hoentina ho babo intsony ianao; hamaly anao noho ny helokao Izy, ry Edoma zanakavavy, ka hampiseho ny fahotanao. TOMPO ô, tsarovy izay nanjo anay; hevero sy diniho ny latsa mahazo anay. Ny lovanay dia afindra ho an’ny vahiny, ary ny tranonay dia ho an’ny olona tsy fantatra. Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondratena. Na ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitainay koa dia vidinay vao azo. Noraisin’ireo nanenjika anay tamin’ny hatokay izahay; reraka izahay nefa tsy manam-pitsaharana. Nanolo-tanana tamin’ny Ejiptiana sy ny Asiriana izahay mba ho voky mofo. Nanota ny razanay; tsy etỳ intsony izy ireo; ary izahay no mivesatra ny helony. Andevo no mifehy anay; tsy misy manafaka anay amin’ny tanany. Noho ny sabatra mamely any an-tany efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina. Mahamay toy ny fatana ny hoditray noho ny fivaivain’ny mosary. Nosavihina ny vehivavy tao Ziona sy ny virijiny tao amin’ny tanànan’ny Joda. Nahantona tamin’ny tanany ny lehibe ary tsy mba nohajaina ny antitra. Ny zatovo dia nitondra ny fikosoham-bary ary ny ankizy madinika dia nivembena nitondra ny kitay. Ny loholona dia tsy misy eo am-bavahady ary ny zatovo dia tsy mitendry zavamaneno intsony. Ny hafalian’ny fonay dia nitsahatra ary ny dihinay dia niova ho fitomaniana. Efa afaka ny satroboninahitra tamin’ny lohanay; idiran-doza izahay fa efa nanota! Noho izany dia reraka ny fonay; eny, noho izany dia maizina ny masonay, noho ny amin’ny tendrombohitra Ziona izay efa lao sady ikarenjen’ny amboahaolo. TOMPO ô, Ianao no mipetraka mandrakizay; eny, ny sezafiandriananao no maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakariva sy ahafoizanao anay andro lava? TOMPO ô, ampivereno aminao izahay mba hiverenanay; havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. Moa dia nanary anay tokoa va Ianao sady tezitra mafy aminay? Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahatelopolo, raha teo amin’ny babo teo amoron’ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra ka nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho. Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, tamin’ny taona fahadimy taorianan’ny namaboana an’i Joiakina mpanjaka, dia tonga tamin’i Ezekiela mpisorona, zanak’i Bozỳ, ny tenin’NY TOMPO tany amin’ny tanin’ny Kaldeana, teo amoron’ny ony Kebara. Ary tany dia teo aminy ny tanan’NY TOMPO. Ary hitako fa indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona sady nisy namirapiratra manodidina azy. Avy teo amin’ny afo dia nisy toy ny volon’ny metaly mamirapiratra. Teo anivony dia nisy toa endriky ny zavamananaina efatra. Ny fijery azy dia ohatra ny endrika olona. Samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy. Ny ranjony dia mahitsy, ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ny ombilahy kely; namirapiratra toy ny volon’ny varahina manganohano izy. Nisy tanan’olona teo ambanin’ny elany teo amin’ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra. Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy rehetra. Ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’olona; tamin’ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ny liona izy efatra, ary tamin’ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ny omby, ary samy nanana ny tarehin’ny voromahery koa izy efatra. Ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony; samy nanana elatra roa nifanendry izy, ary roa hafa koa nanarona ny tenany. Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy ka na taiza na taiza no tian’ny fanahy ho nalehany dia nalehany; tsy niherika izy raha nandeha. Tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zavamananaina, tahaka ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ny zavamananaina ny afo; namirapiratra ny afo sady nisy tselatra nivoaka avy tao aminy. Ary ny zavamananaina dia nifanaretsaka nankatsỳ nankarỳ, toy ny tselatra mifelopeloka. Ary hitako ny zavamananaina fa indro, nisy kodiarana iray teo amin’ny tany, teo anilan’ny zavamananaina teo anoloan’ny tarehiny efatra. Ny fijery ireo kodiarana sy ny fombafombany dia tahaka ny volon’ny krizolita; nitovy endrika izy efatra, ary ny fijery azy sy ny fombafombany dia toy ny kodiarana anatin’ny kodiarana hafa. Rehefa nandeha izy ireo dia nandeha tamin’izay hitsin’ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha. Ny boriboriny dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra. Rehefa nandeha ny zavamananaina dia nandeha teo anilany koa ireo kodiarana; rehefa niainga tsy nipaka tamin’ny tany ireo zavamananaina dia mba niainga koa ireo kodiarana. Na taiza na taiza no tian’ny fanahy ho naleha dia nalehan’ireo koa, fa any no tian’ny fanahy haleha, ary ny kodiarana dia niainga teo anilany; fa tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zavamananaina. Rehefa nandeha ireo dia mba nandeha koa ireto; ary rehefa nijanona ireny dia mba nijanona koa ireto; ary rehefa niainga tsy nipaka tamin’ny tany ireny dia mba niainga teo anilany koa ny kodiarana; fa ny fanahin’ny zavamananaina dia tao amin’ny kodiarana. Teo ambonin’ny lohan’ny zavamananaina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon’ny kristaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin’ny lohany. Teo ambanin’ny eloelo dia nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany; samy nanana roa nisaronany avy izy rehetra ary samy nanana roa izay nanaronany ny tenany. Rehefa nandeha izy dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ny ranobe, dia tahaka ny feon’ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ny miaramila mitoby. Ary nisy feo avy teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohany; rehefa nijanona izy dia namihina ny elany. Ary teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohany dia nisy toy ny sezafiandrianana mitovy volo amin’ny vato safira; ary teo ambonin’izany toy ny sezafiandrianana izany dia nisy ohatra ny endrika olona. Ary nahita toy ny volon’ny metaly mamirapiratra aho, ohatra ny afo manodidina azy; hatramin’ny andilany no ho miakatra ka hatramin’ny andilany no ho midina dia hitako tahaka ny afo ka nisy namirapiratra manodidina azy. Toy ny fijery ny avana amin’ny rahona amin’ny andro nisy ranonorana no fijery ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny voninahitry NY TOMPO. Nony nahita izany aho dia niankarapoka tamin’ny tany ka nandre ny feon’ny iray niteny. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho. Ary nisy fanahy tonga tao anatiko raha niteny tamiko Izy ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, maniraka anao ho any amin’ny Zanak’Israely Aho, eny, ho amin’ireo Jentilisa mpikomy izay nikomy tamiko; izy sy ny razany dia samy nanota tamiko avokoa mandraka androany; ireo zanakalahy ireo dia mafy handrina sy mafy fo; any amin’ireo no anirahako anao, ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra. Ary na hihaino izy na tsy hihaino, fa taranaka maditra izy, dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo anivony. Ary ianao, ry zanak’olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny songosongo sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. Ary holazainao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena maditra izy. Fa ianao kosa, ry zanak’olona, mihainoa izay lazaiko aminao: Aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao! Sokafy ny vavanao ka hano izay afahako anao! Ary hitako fa indro, nisy tanana nitsotra tamiko, ary indro, nisy horonan-taratasy teny aminy. Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivelany; ary fitomaniana sy fidradradradrana sy fitarainana no voasoratra teo. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana ka mitenena amin’ny taranak’Israely! Dia nosokafako ny vavako ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao ary fenoy ity horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao! Dia nihinana aho ka mamy tao am-bavako toy ny tantely izany. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, andeha mankany amin’ny taranak’Israely ka lazao aminy ny teniko. Fa tsy ho any amin’ny firenena manao fiteny tsy hay sy miboredidredika no anirahana anao, fa ho any amin’ny taranak’Israely ihany. Tsy ho amin’ny firenena maro izay manao fiteny tsy hay sy miboredidredika ka tsy ho azonao ny teniny. Fa raha tamin’ireny no nanirahako anao dia ho nihaino anao tokoa izy. Fa ny taranak’Israely dia tsy mety mihaino anao satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak’Israely rehetra dia mafy handrina sady mafy fo. Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny. Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza. Koa aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny fa taranaka maditra izy. Ary hoy ihany Izy tamiko: Ry zanak’olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia raiso ao am-ponao ka henoy amin’ny sofinao. Dia mandehana mankany amin’ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao, ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, na hihaino izy na tsy hihaino. Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitry NY TOMPO avy amin’ny fitoerany! Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zavamananaina izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodiarana teo anilany sy ny horakoraka be. Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady tezitra no nivonto ny fanahiko; ary ny tanan’NY TOMPO dia nahery tamiko. Dia tonga tany amin’ny babo tany Tela-Aviva aho, teo amin’izay nonina teo amoron’ny ony Kebara, teo amin’izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana aho dia teo anivony, nivarahontsana. Nony afaka ny hafitoana dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Israely ianao ka hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy Amiko no hananaranao azy. Raha hoy Aho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! Nefa tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy hialany amin’ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ny helony ihany izy, fa ho voavonjinao ny ainao. Ary koa, raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia ho faty izy; eny, noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin’ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin’ny tananao ny rany. Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra ary voavonjinao koa ny ainao. Tao dia tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna ka mivoaha ho any amin’ny lohasaha ary any no hitenenako aminao. Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ny lohasaha; ary indro, tao ny voninahitry NY TOMPO, tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany. Dia niankarapoka tamin’ny tany aho. Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy. Dia niteny tamiko Izy hoe: Andeha, mirindrìna ao anatin’ny tranonao ianao. Fa ianao, ry zanak’olona, indro, hasiany mahazaka hamatorany anao ianao ka tsy hahazo mivoaka ho eo anivony intsony ianao. Ary hampiraiketiko amin’ny lanilaninao ny lelanao ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy. Fa rehefa miteny aminao Aho dia hosokafako ny vavanao ka holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay mihaino dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino dia aoka izy tsy hihaino; fa taranaka maditra izy. Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky tanimanga ary apetraho eo anoloanao, dia manaova sarin-tanàna eo aminy, sarin’i Jerosalema. Dia ataovy fahirano izany ka manangàna manda fanafihana hamelezana azy; manandrata tovon-tany eo aminy, asio toby hamelezana azy ary anangano lohondry fandravana manodidina azy. Ary makà lapoaly vy ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna; banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ny taranak’Israely izany. Ary ianao, mandria amin’ny ilanao havia ka ataovy eo aminy ny fahotan’ny taranak’Israely; koa araka ny isan’ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony. Fa Izaho manao fetrandro ho anao mitovy amin’ny taonan’ny helony, dia sivifolo sy telonjato andro izay hitondranao ny heloky ny taranak’Israely. Rehefa tapitrao ireo dia mandria amin’ny ilanao havanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’i Joda efapolo andro ianao; ny andro iray no ataoko solon’ny taona iray ho anao. Dia banjino tsara io fahirano an’i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy. Ary indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao. Ary makà varimbazaha, tsaramaso, voanemba, tsiasisa, ampemby sy spelta ary ataovy anaty vilia iray ireo ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ny andro izay handrianao amin’ny ilanao, dia sivifolo sy telonjato andro, no hihinananao azy. Tsinjaraina no hihinananao ny haninao, dia roapolo sekela isanandro; amin’ny fotoana voafetra isanandro no hihinananao azy. Rano afàtra no hosotroinao, ampahenin’ny hina; amin’ny fotoana voafetra isanandro koa no hisotroanao azy. Hatao toy ny mofo varimbazaha no ho fihinanao azy, ary dikin’olona no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony. Ary hoy NY TOMPO: Toy izany no hihinanan’ny Zanak’Israely ny mofony voaloto any amin’ny firenena izay handroahako azy. Dia hoy aho: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Indro, tsy mbola voaloto aho; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay hena ratsy. Dia hoy Izy tamiko: Indro ary, tain’omby no omeko anao hisolo ny dikin’olona ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao. Hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo tohan’aina ka antsinjarany, amin’ny tebiteby, no hihinanany mofo, ary rano afàtra no hosotroiny amin’ny tahotra. Koa tsy hahita mofo na rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony. Ary ianao, ry zanak’olona, makà sabatra maranitra ka ampiasao toy ny harezan’ny mpanala volombava izany, dia anarato ny lohanao sy ny somotrao, ary makà mizana dia zarao ny volo. Ny ampahatelony dia doroy amin’ny afo ao an-tanàna rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; alao koa ny ampahatelony ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ary ny ampahatelony sisa dia aelezo eny amin’ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho. Ary analao vitsivitsy ireo ka fonosy ao amin’ny sisin’akanjonao. Ary ireny indray dia mbola analao koa ka atsipazo ao anaty afo izany dia doroy ao. Hisy afo hivoaka avy aminy ho amin’ny taranak’Israely rehetra. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan’ny Jentilisa ka voahodidin’ireny tany ireny izy. Nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao izay ratsy mihoatra noho ny Jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nandà ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo dia nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho dia Izaho no manohitra anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ny Jentilisa. Noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony. Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy. Hanao fitsarana eo aminao Aho, koa izay sisa rehetra aminao dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra. Eny, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin’ny zavatra maharikorikonao rehetra sy tamin’ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hanary ka tsy hiantra anao ny masoko; eny, tsy hamindra fo Aho. Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ny areti-mandringana na ho ringan’ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony sisa dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra; ary hanatsoaka sabatra hoentiko manenjika azy Aho. Ary ho tanteraka amin’izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako ka hamaly faty Aho; dia ho fantany fa Izaho TOMPO no niteny izany tamin’ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako. Ary hataoko lao ka ho fandatsa eny amin’ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason’izay rehetra mandalo. Koa ho latsa, fitenenan-dratsy, famaizana sy figagana amin’ny Jentilisa manodidina ianao, rehefa manao fitsarana aminao Aho, amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ny fananarana mafy. Izaho TOMPO no niteny izany; rehefa alefako ho fandringanana azy ny mosary dia zana-tsipìka ratsy halefako handringana anareo izany sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo ka hotapahiko ny mofonareo izay tohan’aina. Dia handefasako mosary sy biby masiaka eo aminareo ka hahalany fara anareo izany; handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-dra, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho TOMPO no niteny izany. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, tandrifio ny tendrombohitry ny Israely, dia maminania ny hamelezana azy ka lazao hoe: Ry tendrombohitry ny Israely ô! Mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho hahatonga sabatra hamely anareo ary horavako ny toerana fanaovanareo sorona. Horavana ny alitaranareo, hopotehina ny tsangankazo ho an’ny masoandro ary hataoko mitsitra eo anoloan’ny sampinareo ny fatinareo. Ny fatin’ny Zanak’Israely dia hataoko eo anoloan’ny sampiny ary ny taolanareo dia haeliko manodidina ny alitaranareo eny. Any amin’ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, ary ho rava ny toerana fanaovana sorona mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo; hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, hokapaina ny tsangankazonareo ho an’ny masoandro ka ho foana ny asanareo. Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo ka ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin’ny sabatra any amin’ny Jentilisa rehefa voaely ho any amin’ny tany samihafa ianareo. Ary izay afa-nandositra aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ny Jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga izay niala tamiko, sy ny masony izay mijangajanga manaraka ny sampiny. Haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy nataony, dia ny fahavetavetany rehetra. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, ary tsy teny foana tsy akory ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mikapoha amin’ny tananao ianao ary mitotoa amin’ny tongotrao ka mitenena hoe: Indrisy, amin’ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ny taranak’Israely izay ho lavon’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana! Ny any lavitra dia ho fatin’ny areti-mandringana, ny atỳ akaiky ho lavon’ny sabatra ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary. Hotanterahiko aminy ny fahatezerako. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO, rehefa miampatrampatra eny amin’ny sampiny manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ny vohitra avo rehetra, eny an-tampon’ny tendrombohitra rehetra, eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, eny ambanin’ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’izay nanolorany hanitra ankasitrahana tamin’ny sampiny rehetra. Hatsotrako aminy ny tanako ka hataoko lao sy foana mihoatra noho ny tany efitr’i Dibla ny tany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tanin’ny Israely: Injao ny farany! Eny, efa mby akaiky ny farany ho amin’ny vazan-tany efatra! Ankehitriny dia efa mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako dia hotsaraiko araka ny lalanao ianao ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra. Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; fa hatambesatro aminao ny lalanao ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Injao! Avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy! Njao ny farany! Eny, efa akaiky ny farany! Mifoha hamely anao izany! Indro, efa mby akaiky iny! Efa akaiky ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany! Efa akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro! Akoran’ady fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra! Vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako ka hotsaraiko araka ny lalanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao. Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no mamely. Indro ny andro, indro efa akaiky izany! Miseho ny anjaranao! Mamony ny tsorakazo! Manorobona ny avonavona! Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezan’ny faharatsiana; tsy hisy tavela intsony aminy, na ny hamaroany na ny harenany na ny zava-mendrika eo aminy. Efa mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro! Aoka tsy hifaly ny mpividy ary aoka halahelo ny mpivarotra! Fa iharan’ny fahatezerana mirehitra ny harembeny rehetra. Fa ny mpivarotra dia tsy hifodian’izay efa lafony na dia mbola isan’ny velona aza izy; fa ny fahitana ny amin’ny hanjo ny harembe dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy hamonjy ny ainy amin’ny helony. Efa notsofina ny trompetra ka vonona ny zavatra rehetra nefa tsy misy mankany amin’ny ady satria iharan’ny fahatezerako mirehitra ny harembe rehetra. Ny sabatra no eny ivelany ary ny areti-mandringana sy ny mosary no ao an-trano! Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon’ny mosary sy ny areti-mandringana. Ary na dia misy afa-mandositra aza dia ho eny an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony. Hiraviravy ny tanana rehetra ary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Hisikina lamba fisaonana izy ka hanafotra azy ny horohoro; ho menatra ny tava rehetra ary ho voasola ny lohan’izy rehetra. Ny volafotsiny dia hariany eny an-dalambe ary ny volamenany dia hataony ho zava-maloto; ny volafotsiny sy ny volamenany dia tsy hahavonjy azy amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO; tsy hahavoky ny tendany na hahafeno ny kibony izany satria izany no nahatonga heloka ho azy. Nataony firavaka tsara tarehy hoentiny mirehareha ireny sady noentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-maharikoriko nataony. Koa izany no hanaovako azy ireny ho zava-maloto. Hatolotro ho babo eny an-tanan’ny hafa firenena izy, eny, ho babo ho an’ny ratsy fanahy amin’ny tany ka holotoin’ireny izy. Dia hiamboho azy koa Aho ka holotoina ny rakitro, fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy. Manefe gadra! Fa feno fitsarana mandatsa-dra ny tany ary feno fampahoriana ny tanàna. Koa hitondra izay firenena ratsy indrindra Aho ka ho lasan’ireny ny tranony; ary hatsahatro ny avonavon’ny mahery sady holotoina ny fitoerany masina. Ho avy ny fampangovitana! Hitady fiadanana izy nefa tsy hisy izany! Mifanontona ny fandravana, mifandimby ny filazan-doza; dia manontany fahitana amin’ny mpaminany izy nefa tsy misy lalàna intsony amin’ny mpisorona, na fahendrena amin’ny zokiolona. Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahaverezan-kevitra ny andriana, hangovitra ny tanan’ny vahoaka. Araka ny lalany ihany no hataoko aminy, ary hotsaraiko araka ny fitsarana nataony izy dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahenina, tamin’ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ny Joda dia nanan-kery tampoka tamiko ny tanan’NY TOMPO Andriamanitra. Ary hitako fa indro, nisy zavatra nitarehin’afo; hatramin’ny andilany no ho midina dia afo; ary hatramin’ny andilany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra, toy ny volon’ny metaly mamirapiratra. Ary nisy zavatra nitarehin-tanana natsotra ka noraisiny tamin’ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra mampahasaro-piaro, ilay mampahasaro-piaro. Ary indro, teo ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely, tahaka ilay fahitana hitako teo amin’ny lohasaha. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, atopazo kely mianavaratra ny masonao! Dia natopiko mianavaratra ny masoko ka indro, eny avaratry ny vavahadin’ny alitara, teo amin’ny fidirana, no nisy ilay sarin-javatra mampahasaro-piaro. Hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va izay ataon’ireo, dia ireo fahavetavetana lehibe izay ataon’ny taranak’Israely eto ka mampanalavitra Ahy amin’ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao. Dia noentiny ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja aho. Ary hitako fa indro, nisy loaka teo amin’ny rindrina. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, loahy ny rindrina! Dia noloahako ny rindrina ka indro, nisy varavarana. Ary hoy Izy tamiko: Midira ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony ato! Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ny taranak’Israely, voasoratra teny amin’ny rindrina manodidina. Ary nisy fitopolo lahy, isan’ny loholon’ny taranak’Israely, nitsangana teo anoloan’ireo, ary Jazania, zanak’i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tanany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonaka. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’ny loholon’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina, samy ao amin’ny efitranony misy sarin’ny sampiny? Fa hoy izy: NY TOMPO tsy mahita anay, efa nahafoy ny tany Izy! Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao. Dia noentiny ho eo anoloan’ny vavahadin’ny tranon’NY TOMPO, izay manatrika ny avaratra aho; ary indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an’i Tamoza. Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao. Dia noentiny ho eo amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO aho, ary indro, teo am-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO, teo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roapolo lahy niamboho ny tempolin’NY TOMPO ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana. Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’olona? Moa ataon’ny taranak’i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany ka mampahatezitra Ahy lalandava izy. Ary indro, nanainga ny rantsan-kazo ho amin’ny orony izy. Ary Izaho kosa hamely amin’ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy dia tsy hihaino azy Aho. Ary niantso tamin’ny feo mahery teo anatrehako NY TOMPO hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tanany avy ho enti-mandringana! Ary indreo, nisy lehilahy enina avy teo amin’ny vavahady ambony izay manatrika ny avaratra, samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny iray tamin’ireo dia nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany. Dia niditra izy ireo ka nijoro teo anilan’ny alitara varahina. Ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia niakatra ka niala teo amin’ny kerobima izay nitoerany, ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano, ary Izy dia niantso ilay lehilahy nitafy lamba rongony fotsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany. Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana mamakivaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao aminy. Ary reko Izy niteny tamin’ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamakivaky ny tanàna ka mameleza; aoka tsy hamindra fo ny masonareo ary aza ananana antra! Na lahiantitra na zatovo na virijiny na zaza madinika na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina; ary atombohy hatreo amin’ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin’ny lahiantitra izay teo anoloan’ny Trano ireo. Ary hoy Izy tamin’ireo: Lotoy ny Trano ary fenoy faty ny kianja! Mivoaha ianareo! Dia nivoaka izy ireo ka namely ny tao an-tanàna. Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Haringanao va ny sisa rehetra amin’ny Israely amin’izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’i Jerosalema izao? Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’Israely sy ny Joda; feno ran’olona nalatsaka ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanàna satria hoy izy: NY TOMPO efa nahafoy ny tany ary NY TOMPO tsy mahita. Ary Izaho kosa dia tsy hiantra ny masoko sady tsy hamindra fo Aho fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny lalany. Ary indro, Ralehilahy, ilay nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo amin’ny andilany, dia nitondra teny niverina hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy. Ary hitako fa indro, teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohan’ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; ary nisy zavatra tahaka ny endriky ny sezafiandrianana niseho teo amboniny. Ary niteny tamin-dRalehilahy nitafy lamba rongony fotsy Izy hoe: Midira eo anelanelan’ny kodiarana, dia eo ambanin’ny kerobima, ary fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao roa ka afafazo amin’ny tanàna izany! Dia niditra teo imasoko izy. Ary ny kerobima dia nitsangana teo ankavanan’ny Trano rehefa niditra Ralehilahy; ary ilay rahona dia nameno ny kianja anatiny. Dia niakatra niala teo amin’ny kerobima ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano ny voninahitry ny TOMPO; ary ilay rahona dia nameno ny Trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ny voninahitry NY TOMPO. Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin’ny kianja ivelany, toy ny feon’Andriamanitra Tsitoha raha miteny Izy. Ary rehefa nodidiany Ralehilahy nitafy lamba rongony fotsy hoe: Makà afo avy eo analenelan’ny kodiarana, eo anelanelan’ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan’ny kodiarana. Ary ny kerobima iray dia nanatsotra ny tanany avy teo anelanelan’ny kerobima ho eo amin’ny afo izay teo anelanelan’ny kerobima, dia nakany ka nofenoiny ny tanan-droan’ilay nitafy lamba rongony fotsy. Ary rehefa nandray izany Ralehilahy dia lasa nandeha. Ary nisy zavatra toy ny tanan’olona niseho teo ambanin’ny elatry ny kerobima. Ary hitako fa indreo, nisy kodiarana efatra teo anilan’ny kerobima, dia kodiarana iray avy teo anilan’ny kerobima tsirairay; ny fijery ny kodiarana dia toy ny volon’ny vato krizolita. Ary ny fijery azy efatra dia toy ny kodiarana anatin’ny kodiarana hafa. Rehefa nandeha izy ireo dia nandeha tamin’ny hitsin’ny lafiny efatra; tsy niherika izy rehefa nandeha, fa tamin’ny hitsin’izay natrehin’ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy rehefa nandeha. Feno maso manodidina ny tenan’ny kerobima manontolo, ny lamosiny, ny tanany, ny elany ary koa ny kodiarana; izy efatra dia samy nisy kodiarana avokoa. Ny amin’ny kodiarana dia reko nisy niantso azy hoe: Ry tadio! Samy nanana tarehy efatra avy izy: Ny tarehin’ny voalohany dia nitarehin’ny kerobima, ary ny tarehin’ny faharoa dia nitarehin’olona, ny fahatelo dia nitarehin’ny liona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery. Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zavamananaina hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany. Rehefa nandeha ny kerobima dia mba nandeha teo anilany koa ny kodiarana; ary rehefa nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin’ny tany dia tsy nisaraka taminy ny kodiarana fa teo akaikiny koa. Rehefa nijanona izy dia mba nijanona koa ireo; ary rehefa niainga izy dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin’ny zavamananaina no tao aminy. Dia niala avy teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny Trano ny voninahitry NY TOMPO ka nijanona teo ambonin’ny kerobima. Ary nasandratry ny kerobima ny elany ka niainga tsy nipaka tamin’ny tany teo imasoko izy rehefa nivoaka, ary teo anilany ny kodiarana ary samy nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely no teo amboniny. Izany dia ilay zavamananaina hitako teo ambanin’ny Andriamanitry ny Israely teo amoron’ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo. Samy nanana tarehy efatra avy izy sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy zavatra toy ny tanan’olona teo ambanin’ny elany. Ary ny tarehiny dia nitovy tamin’ilay hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany. Ary ny hitsin’ny tavany no nalehany. Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary indreo, nisy olona dimy amby roapolo lahy teo anoloan’ny vavahady; dia hitako teo amin’ireo i Jazania zanak’i Azora sy i Pelatia zanak’i Benaia, lehiben’ny vahoaka. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireo no lehilahy izay misaina hanao ratsy sady manome torohevitra ratsy ato amin’ity tanàna ity, dia izay milaza hoe: Mbola tsy izao no fotoana hanorenana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena! Koa maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak’olona! Dia tonga tamiko ny Fanahin’NY TOMPO ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izany no fiteninareo, ry taranak’Israely! Fantatro izay rehetra ao an-tsainareo. Ianareo dia nahamaro ny voavononareo tato amin’ity tanàna ity ary ny arabeny dia nofenoinareo faty. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; fa ianareo kosa dia havoaka tao. Matahotra ny sabatra ianareo nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tanan’ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho. Ho lavon’ny sabatra ianareo; any amin’ny sisintanin’ny Israely no hitsarako anareo ka ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Ity tanàna ity dia tsy ho vilaninareo, ary ianareo dia tsy ho hena ato anatiny; fa any amin’ny sisintanin’ny Israely no hitsarako anareo. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO satria tsy nandeha araka ny lalànako ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny Jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo. Ary raha mbola naminany aho dia maty i Pelatia zanak’i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin’ny feo mahery hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Holevoninao va ny hany sisa amin’ny Israely? Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao iray firazanana aminao, dia ny taranak’Israely rehetra, no nitenenan’ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira NY TOMPO; izahay no nomena ity tany ity ho lova. Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ny Jentilisa aza izy ka naeliko tany amin’ny tany maro dia ho fitoerana masina ho azy vetivety ho azy Aho any amin’ny tany izay alehany. Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hovoriko avy any amin’ny firenena ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo ka homeko ny tanin’ny Israely. Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-maharikorikony rehetra sy ny fahavetavetany rehetra. Dia homeko fo iray izy ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato ka homeko fo nofo izy mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany; ary ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny. Fa ny amin’izay manana fo manina ny zava-maharikorikony sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodiarana teo anilany; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia teo aminy, teo amboniny. Ary ny voninahitry NY TOMPO dia niakatra niala tao amin’ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ny tendrombohitra atsinanan’ny tanàna. Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy ho any Kaldea, tamin’ny fahitana, ho any amin’ny babo, dia tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako. Ary nolazaiko tamin’ny babo ny teny rehetra izay nasehon’NY TOMPO ahy. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ianao dia monina eto amin’ny taranaka maditra izay mana-maso hahitana nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana nefa tsy mandre, fa taranaka maditra izy. Koa ianao, ry zanak’olona, mifeheza ny entan’ny babo ka miaingà amin’ny andro antoandro eo imasony! Ary mialà eo imasony eo amin’izay itoeranao ho any amin’ny toerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. Havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ny babo; fa ny tenanao kosa dia hivoaka eo imasony amin’ny hariva, toy ny fivoakan’ny babo. Gorobahy eo imasony ny manda ka ao no amoahy ny entanao. Ataovy an-tsoroka eo imasony izany ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; saròny ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa nataoko ho famantarana ho an’ny taranak’Israely ianao. Dia nanatanteraka izay nandidiana ahy aho ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy ny entan’ny babo. Nony hariva dia nogorobahiko tamin’ny tanako ny manda, koa nony efa maizina dia maizina ny andro dia nentiko nivoaka ny entana ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony. Nony maraina dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, moa ny taranak’Israely, izay taranaka maditra, tsy nanontany anao va hoe: Inona izao ataonao izao? Ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity faminaniana ny loza ity dia momba ny mpanjakan’i Jerosalema sy ny taranak’Israely rehetra izay ao aminy. Lazao hoe: Izaho dia famantarana ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ireo: Ho lasan-ko babo izy. Ary ny mpanjaka izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hogorobahin’ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan’ny masony ny tany. Hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka ho azon’ny harato izy; dia hoentiko any Babilona any amin’ny tanin’ny Kaldeana izy nefa tsy hahita izany izy ary ho faty any ihany. Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra sady hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy Aho. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa ahahako any amin’ny Jentilisa sy ampieleziko any amin’ny tany samihafa izy. Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ny Jentilisa izay alehany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, hano amin-korohoro ny haninao ary sotroy amin-kovitra sy amin’ahiahy ny ranonao. Ary lazao amin’ny vahoaka hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ny tanin’ny Israely: Amin’ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amin’ny fahaverezan-kevitra no hisotroany ny ranony satria ho foana tanteraka ny taniny ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny hetraketraka nataon’izay rehetra monina ao aminy. Ho rava ny tanàna onenana ary ho lao ny tany. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ahoana moa izao oha-teny ataonareo ao amin’ny tanin’ny Israely izao hoe: Mandeha ny fotoana, ary tsy misy vanona ny fahitana rehetra? Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsahatro izany oha-teny izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ny Israely intsony. Fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ny fahitana rehetra. Fa tsy hisy fahitana foana na faminaniana mandrobo intsony ao amin’ny taranak’Israely. Fa Izaho no TOMPO. Hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa; tsy hahemotra intsony izany fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, indro, ny taranak’Israely dia miteny hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ny fotoana mbola lavitra no vinanìny. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy hahemotra intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ny Israely izay maminany, koa lazao amin’izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny mpaminany adala izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany. Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna aolo ny mpaminaninao, ry Israely. Tsy mba niakatra ho eo amin’ny banga ianareo sady tsy mba nanao manda hiarovana ny taranak’Israely mba hifaharany amin’ny ady amin’ny Andron’NY TOMPO. Mahita zava-poana sy faminaniana tsy marina ireo izay milaza hoe: Hoy NY TOMPO, nefa tsy nirahin’NY TOMPO izy tsinona, nefa manantena fa ho to ny teniny. Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo ary faminaniana lainga no lazainareo, raha milaza ianareo hoe: Hoy NY TOMPO! Kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona? Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ny teninareo dia anoano foana, ary ny fahitanareo dia lainga fotsiny dia indro, hamely anareo Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ny mpanolotsainan’ny oloko na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’Israely izy sady tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra. Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana! Kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary rehefa manao ampiantany ny oloko dia indreo, izy no mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity. Koa lazao amin’izay mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity fa hirodana izany! Hisy ranonorana mifafy. Eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy! Ary mifofofofoa ianareo, ry tafio-drivotra! Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo va hoe: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy? Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin’ny fahatezerako Aho; hisy ranonorana mifafy amin’ny fahatezerako ary havandra vaventy amin’ny fahavinirako ka hahafongana azy. Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin’ny rihitra tsy madity ka ho fongotra hatramin’ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy ka haringana ao anatiny ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Hotanterahiko amin’ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy, dia ny mpaminanin’ny Israely izay maminany ny amin’i Jerosalema, sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanana tsinona, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa ianao, ry zanak’olona, handrino mafy ny zanakavavin’ny firenenao izay manao faminaniana araka ny fony ary maminania ny hamelezana azy! Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho amin’ny foto-tanan’ny olona rehetra, ary manao voaly antonona ny loha samihafa rehetra mba hihazanareo ny ain’ny olona! Ny ain’ny oloko dia hazainareo, nefa ny ainareo kosa velominareo! Manamavo Ahy ao amin’ny oloko ianareo noho ny varimbazaha eran’ny tanana ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny ain’olona izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny ain’olona izay tsy tokony hovelomina, amin’ny andainganareo amin’ny oloko izay mihaino ny lainganareo. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hosimbako ny fonon-tanana nataonareo, izay entinareo hihaza ny ain’olona any toy ny fihaza voronkely. Eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izany ka halefako hanidina ny ain’ny olona izay nohazainareo toy ny fihaza voronkely. Hotriariko koa ny voalinareo ka hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ny tananareo ho haza intsony izy; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Satria lainga no entinareo manaketraka ny fon’ny marina izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ny ratsy fanahy mba tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy, dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana tsy marina intsony ianareo, fa hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Dia nisy loholon’ny Israely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ireto olona ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hanaiky hanontanian’ireto va Aho? Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny olona rehetra amin’ny taranak’Israely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho TOMPO no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny, mba hisamborako ny taranak’Israely amin’ny fony satria efa nihemotra niala Tamiko izy rehetra noho ny sampiny. Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy. Fa na iza na iza amin’ny taranak’Israely, na amin’ny vahiny izay mivahiny eo amin’ny Israely, no misaraka Amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany Amiko, dia ny tenako, Izaho TOMPO ihany no hamaly azy. Hanandrina izany olona izany ny tavako ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho oha-teny, ary hofongorako tsy ho eo amin’ny oloko izy dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra dia Izaho TOMPO no nitaona izany mpaminany izany; hatsotrako aminy ny tanako ka hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy. Hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin’ny helok’izay manontany aminy koa, mba tsy hialan’ny taranak’Israely Amiko intsony ary tsy handotoany ny tenany intsony amin’ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, raha misy tany manota Amiko ka manao izay mahadiso, ary atsotrako aminy ny tanako ka tapahiko ny mofo tohan’ainy sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby, ary na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia i Noa sy i Daniela ary i Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Raha mampandeha biby masiaka eo amin’ny tany Aho ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon’olona aleha noho ny biby, na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao. Ary raha mahatonga sabatra mamely izany tany izany Aho ka miteny hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby, na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjy. Ary raha mandefa areti-mandringana mamely izany tany izany Aho sady aidiko aminy ny fahatezerako amin’ny fandatsahan-dra mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy, na dia ao aza i Noa sy i Daniela ary i Joba, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Koa mainka raha alefako hamely an’i Jerosalema ireto fitsarako efatra mandoza ireto, dia ny sabatra sy ny mosary ary ny biby masiaka sy ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby! Kanefa indro, hisy sisa afaka ihany izy hoentina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Indro, hivoaka ho any aminareo ireo ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy. Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, inona no ihoaran’ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ny hazo any an’ala? Moa mba azo hakana hazo hatao zavatra akory va izy, na mba hakana hanaovana tsatòka fanantonan-javatra? Indro, hatsipy any anaty afo izy ka hataina; ho levon’ny afo ny tendrony roa ary ho may ny tenatenany. Koa moa azo anaovan-javatra akory va izy? Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza dia tsy azo nanaovan-javatra, koa mainka fa rehefa levon’ny afo ka may izy? Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Toy ny tahom-boaloboka amin’ny hazo any an’ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema. Hanandrina azy ny tavako. Tafavoaka tamin’ny afo izy nefa ho levon’ny afo hafa indray; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa manandrina azy ny tavako. Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’i Jerosalema: Ny tany Kanana no niavianao sy nahaterahanao; Amorita ny rainao ary Hetita ny reninao. Ary ny amin’ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitranao tamin’ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin’ny rano ianao, na voahosotra sira na voahodidina lamban-jaza akory. Tsy nisy maso niantra anao ka nanao izany taminao, na dia iray akory amin’ireo zavatra ireo aza, mba hamindrana fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin’ny andro nahaterahanao. Raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin’ny ranao dia hoy Aho taminao, raha mbola tamin’ny ranao ianao: Ho velona anie ianao! Eny, hoy Aho taminao, raha mbola tamin’ny ranao ianao: Ho velona anie ianao! Efa nataoko alinalina toy ny zavamaniry any an-tsaha ny isanao ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany. Ary raha nandalo Aho ka nijery anao dia hitako fa izay no fotoananao, dia ny fotoanan’ny fitiavana. Dia narakotro anao ny ilan’ny lambako ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianina taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tonga Ahy ianao. Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin’ny ranao, dia nohosorako diloilo. Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditra trozona ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako lamba landy. Noravahako firavaka koa ianao ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao. Nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary nasiako satroboninahitra tsara tarehy ny lohanao, dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary akanjo rongony fotsy madinika sy lamba landy ary lamba misoratsoratra no fitafianao. Koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao. Nitombo hatsaran-tarehy ianao sady nambinina ka tonga miendrika andriana. Dia niely tany amin’ny Jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, satria tonga tamin’ny fanaperany izany noho ny famirapiratana izay nataoko teo aminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao ary nanaram-po nijangajanga tamin’ny mpandalo rehetra sady nafoy ho azy izany. Dia nanalanao ny fitafianao ka nanaovanao toerana fanaovana sorona ho anao ary noravahanao lamba misoratsoratra izany sady nijangajanga teo aminy ianao: Ny zavatra toy izany dia tsy tokony hiseho na hisy akory! Nalainao koa ny firavakao tamin’ny volamenako sy ny volafotsiko izay nomeko anao dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao. Nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natafinao ireo; ary ny menako sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany. Ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan’ireo ho hanitra ankasitrahana. Izany tokoa no nitranga, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary noentinao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an’ireo mba hohaniny. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany? Novonoinao ny zanako fa natolotrao ka nampandehaninao namakivaky ny afo ho an’ireo. Tamin’ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andron’ny fahatanoranao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin’ny ranao. Ary rehefa vitanao izany ratsy rehetra izany, lozanao! lozanao! hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao toerana fanaovana sorona ho anao teny an-kalalahana rehetra teny. Teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny toerana fanaovanao sorona, dia novetavetainao ny hatsaran-tarehinao ka natolotrao ho amin’ny mpandalo rehetra ny tenanao ary nampitomboinao ny fijangajanganao. Nijangajanga tamin’ny zanak’i Ejipta be nofo izay mifanila fonenana ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy. Ary indro, natsotrako taminao ny tanako ka nahenako ny anjara haninao, ary natolotro ho amin’ny sitrapon’izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ny Filistina izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao. Nijangajanga tamin’ny zanak’i Asiria koa ianao noho ny tsy fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao nefa mbola tsy afa-po ihany. Ary mbola nampitomboinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ny tanin’ny mpivaro-mandeha; fa na dia tamin’izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao. Akory ny fahamaimain’ny fonao! hoy NY TOMPO Andriamanitra, tamin’ny nanaovanao ireo rehetra ireo izay fanaon’ny janga lany henatra! Tamin’ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny toerana fanaovanao sorona teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao satria tsy nahoanao akory izay karama maloto. Ny vehivavy mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ny vadiny! Ny vehivavy janga rehetra dia omena karama maloto; fa ianao kosa dia manome karama ireo mpitia anao rehetra sady manome azy kolikoly hanatonany anao avy any rehetra any mba hijangajangany aminao. Hafa noho ny an’ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome karama maloto ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no maha hafa anao. Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry Ikala janga! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandanianao vola be sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ny nijangajanganao tamin’ireny mpitia anao ireny sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ny zanakao izay naterinao ho an’ireo, dia indro, hovoriko ireny mpitia anao rehetra ireny, izay mankamamy anao sy izay tianao rehetra mbamin’ireny rehetra izay halanao koa, eny, hovoriko avy eny rehetra eny ireny mba hamely anao ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy. Dia hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-dra ka halatsako ny ranao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro. Dia hatolotro ho eny an-tanan’ireny ianao ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny toerana fanaovanao sorona; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao. Dia hitondra vahoaka marobe hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin’ny sabany ianao. Hodorany amin’ny afo ny tranonao ka hotanterahiny eo imason’ny vehivavy maro ny famaliana anao. Hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hisy karama maloto intsony. Toy izany no hialako fo aminao ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony. Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao fa nirongatra nanohitra Ahy tamin’ireo rehetra ireo ianao, dia indro, ny lalanao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ny fahavetavetanao rehetra va ianao? Indro, ny mpanao oha-teny rehetra dia hamely anao amin’izao oha-teny izao hoe: Manahaka ny reniny ihany ny zanany vavy! Ianao dia zanakavavin-dreninao izay mahafoy ny vady aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ireo rahavavinao izay nahafoy ny vady aman-janany. Hetita ny reninareo ary Amorita ny rainareo. I Samaria no zokinao vavy, dia izy sy ny zanany vavy izay monina eo ankavianao; ary ny zandrinao vavy izay monina amin’ny ankavananao, dia i Sodoma sy ny zanany vavy. Nefa tsy araka ny lalan’ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan’ireo ihany no nataonao; fa ohatra ny zavatra kely loatra izany ka nanao izay ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin’ny lalanao rehetra. Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, na dia i Sodoma rahavavinao sy ny zanany vavy aza dia tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao vavy. Indro, izao no helok’i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fiainana tsy nisy ahiahy no tao aminy sy tao amin’ny zanany vavy fa tsy mba nampahery ny malahelo sy ny mahantra izy. Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako. Nony nahita izany Aho dia nanaisotra azy. Fa i Samaria dia tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataony; fa ianao dia nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin’ny fahavetavetanao rehetra izay nataonao. Ianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo ka miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina. Haveriko ho amin’ny toerany teo aloha ireny, dia i Sodoma sy ny zanany vavy, ary i Samaria sy ny zanany vavy, dia haveriko ho amin’ny toeranao teo aloha eo afovoany koa ianao, mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao ka ho fampiononana ho azy izany. Ary ny rahavavinao, dia i Sodoma sy ny zanany vavy, dia hiverina amin’ny toerany taloha, ary i Samaria sy ny zanany vavy dia hiverina amin’ny toerany taloha, ary ianao sy ny zanakao vavy dia hiverina amin’ny toeranareo taloha koa. Nefa tsy mbola mba notononin’ny vavanao akory ny nanjo an’i Sodoma rahavavinao tamin’ny andro niavonavonanao, fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin’ilay nandatsa anao ny zanakavavin’i Arama sy izay rehetra manodidina azy, ary ny zanakavavin’ny Filistina, izay namingavinga anao tamin’ny manodidina anao rehetra. Ianao no hitondra ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao, hoy NY TOMPO. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena. Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao tamin’ny andron’ny fahatanoranao ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho. Dia hotsarovanao ny lalanao ka ho menatra ianao rehefa mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao ka homeko ho zanakao vavy ireo, na dia tsy mba isan’izay nanaovako fanekena taminao aza. Izaho hanorina ny fanekeko aminao, dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO, mba hahatsiarovanao sy hangaihaizanao ary tsy hiloa-bava intsony ianao noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ny nataonao rehetra Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manaova ankamantatra, ary milazà oha-teny amin’ny taranak’Israely ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon’elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra. Tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra tamin’ny rantsan’ny sedera. Ny tendron’ny tarony dia nolaingosany ka noentiny ho any amin’ny tanin’ny mpivarotra, eny, tany amin’ny tanànan’ny mpivaro-mandeha no nametrahany azy. Nanalany koa ny voan-javatra tamin’ny tany ka namboleny tao amin’ny tany lonaka. Noentiny ho eo amoron’ny rano betsaka iny ka nataony araka ny fanao amin’ny hazomalahelo. Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka mba hitodihan’ny rantsany ho eo amin’ilay voromahery ary ny fotony ho ao ambaniny; koa tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka. Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny vahany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin’ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany. Voavoly tao amin’ny saha tsara teo amoron’ny rano betsaka izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra. Lazaonao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny vahany ary hotazana ny voany mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra raha vao mitsimoka ka tsy ilàna sandry mahery na vahoaka betsaka akory hanongotra azy amin’ny fotony. Koa indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy raha asian’ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin’ny tany voafaritra naniriany izy. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Lazao amin’ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao dia nitondra azy ho any aminy any Babilona. Ary naka ny iray tamin’ny taranaky ny mpanjaka izy dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin’ny tany dia noentiny nandeha, mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, ary hitandrina ny fanekeny mba haharitra. Nikomy taminy anefa izy ireo ka nandefa iraka hankany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy ka ho afa-mandositra va? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy, nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny, eny, any amin’io, any Babilona, no hahafatesany. Ary rehefa asandratra ireo manda fanafihana sy atototra ny tovon-tany handringanana olona maro dia tsy hanampy azy amin’ny ady akory i Farao na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza izy. Fa nanamavo ny fianianana izy tamin’ny nivadihany ny fanekena, fa e! Efa nanaiky izy, kanefa dia izany rehetra izany no nataony ka tsy ho afa-mandositra izy! Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa. Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy ka ho azon’ny haratoko izy, ary ho entiko any Babilona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko. Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ny sabatra, ary izay sisa tavela dia haely ho eny amin’ny rivotra rehetra, dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho haka amin’ny rantsana avo indrindra amin’ny sedera avo ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ny laingony milenodenoka ka hamboleko ao amin’ny tendrombohitra avo sy milangalanga. Ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samihafa rehetra dia hitoetra ao aminy; ao amin’ny alokaloky ny rantsany no hitoerany. Dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho TOMPO no nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva, ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho TOMPO no niteny sady nanao izany. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Nahoana no manao izao oha-teny izao ao amin’ny tanin’ny Israely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy ka ny nifin’ny zanany no madilo? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hisy hanaovanareo izany oha-teny izany ao amin’ny Israely intsony. Indro, Ahy ny aina rehetra; toy ny ain’ny ray, dia toy izany koa ny ain’ny zanany; samy Ahy ireny; ny olona izay manota no ho faty. Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy, tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolana, na mampahory olona fa mamerina ny natao antoka, tsy mandroba fa manome ny haniny ho an’ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka, tsy mampanjana-bola na maka tombony akory fa miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy, ary manao fitsarana marina amin’izay miady, ary mandeha araka ny lalànako sy mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-dra izy ka indrisy, manao na dia ny iray ihany amin’ireo zavatra ireo aza iny, nefa izy tenany tsy nanao ireo zavatra ireo akory fa ilay zazalahy no mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ny namany, na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao antoka, na manandratra ny masony ho amin’ny sampy ka manao izay fahavetavetana, na mampanjana-bola, na maka tombony, moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy ary ny rany dia ho aminy ihany! Fa raha iny kosa indray no miteraka zazalahy izay mahita ny fahotana rehetra nataon’ny rainy, nefa nony mahita izany izy dia tsy mba manao tahaka izany ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany, na mampahory olona, na maka antoka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka, miaro ny tanany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanàna vola na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalànako, dia tsy ho faty noho ny heloky ny rainy izy; ho velona tokoa izy. Ny amin’ny rainy kosa, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ny fireneny, dia indro, ho faty noho ny helony izy. Nefa hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny heloky ny rainy? Raha ny zanaka no manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy dia ho velona tokoa izy. Ny olona izay manota no ho faty. Ny zanaka dia tsy hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray dia tsy hitondra ny heloky ny zanany. Ny fahamarinan’ny marina dia ho aminy ihany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa dia ho aminy ihany. Fa raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. Ny fahadisoany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony. Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra, fa tsy ny hialany amin’ny lalany mba ho velona izy? Fa raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataony dia ho faty izy. Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’Israely! Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina? Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’izany dia maty noho ny heloka nataony ihany izy. Ary raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy dia hahavonjy ny ainy izy. Raha mahita ny fahadisoana rehetra izay nataony izy ka miala amin’izany dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. Nefa hoy ny taranak’Israely: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Ry taranak’Israely, ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina? Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo. Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Israely? Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa mibebaha ianareo mba ho velona! Ary ianao, manaova hira fisaonana ny amin’ireo andrianan’ny Israely ka lazao hoe: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka teo amin’ny liona izy ary nitaiza ny zanany teo amin’ny liona tanora. Nahalehibe ny zanany iray izy dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona. Nahare ny lazany ny firenena dia namandrika azy tamin’ny lavaka ka nasiany masom-by ny orony, ary noentiny ho any amin’ny tany Ejipta izy. Nony hitan’ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany dia nanalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora. Dia nivoivoy teny amin’ny liom-bavy iny ka tonga liona tanora, ary nianatra hamiravira haza sady nihinana olona. Narodany ny lapan’ireny sady noravany ny tanànany ka lao ny tany mbamin’izay rehetra tao aminy noho ny feon’ny fierony. Ary ny Jentilisa manodidina, izay avy any amin’ny fari-piadidiany samihafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy ka voafandrika tamin’ny lavaka izy. Nataony tamin’ny tranokely izy ka nasiany masom-by ny orony ary noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona izy; noentiny ho ao amin’ny manda izy mba tsy ho re intsony ny feony eny amin’ny tendrombohitry ny Israely. Ny reninao dia tahaka ny voaloboka voavoly teo amoron-drano, vokatra sady nanaroka izy azon’ny rano betsaka. Nisy rantsany matanjaka teo aminy ka azo natao tehim-panjakana ho an’izay manapaka izany. Tonga avo izy ka nitehika teny amin’ny rahona matevina, mora tazana noho ny haavony izy sy noho ny hamaroan’ny rantsany. Nefa nongotana tamin’ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ny tany; ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; ny rantsany matanjaka dia tapaka ka maina; levon’ny afo ireny. Ary ankehitriny dia voavoly any an-tany efitra izy, dia ao amin’ny tany maina sady karankaina. Afo no mivoaka avy amin’ny sampany ka mandevona ny voany; tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fisaonana izany sady mbola ho hira fisaonana ihany. Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ny Israely mba hanontany amin’NY TOMPO ka nipetraka teo anatrehako izy. Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, mitenena amin’ireo loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa hanontany Amiko va no iavianareo? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho. Tsy hotsarainao va izy, ry zanak’olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahafantaro azy ny fahavetavetan’ny razany! Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nifidianako ny Israely sy nananganako tanana tamin’ny taranak’i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, raha nanangan-tanana taminy Aho ka niteny hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, tamin’izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nozahako ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra, dia hoy Aho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ny masonareo avy ianareo! Aza mandoto tena amin’ny sampin’i Ejipta! Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Nefa nikomy Tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ny masony na nahafoy ny sampin’i Ejipta izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hanamparako ny fahatezerako eo amin’ny tany Ejipta izy. Kanefa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy handotoana izany eo imason’ny Jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Koa nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy ka nentiko ho any an-tany efitra. Nomeko azy ny didiko ary nampahafantariko azy ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany. Nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho Amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho TOMPO no manamasina azy. Kanjo nikomy tamiko tany an-tany efitra ihany ny taranak’Israely. Tsy nandeha araka ny didiko izy fa nanamavo ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto izay tsy izy ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy any an-tany efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy. Kanefa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy handotoana izany eo anatrehan’ny Jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka. Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-tany efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin’ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra, satria nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny. Nefa niantra azy ihany ny masoko ka tsy naringako na nolevoniko tany an-tany efitra izy. Fa hoy Aho tamin’ny zanany tany an-tany efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ny sampiny! Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko ka araho izany. Ary manamasìna ny Sabatako mba ho famantarana ho Amiko sy ho aminareo, dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Kanjo nikomy tamiko koa ny zanany. Tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako ary hanamparako ny fahatezerako any an-tany efitra izy. Nefa nampihemotra ny tanako Aho; koa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan’ny Jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka. Ary Izaho koa no nanangan-tanana taminy tany an-tany efitra hampiely azy any amin’ny Jentilisa sy hampihahaka azy any amin’ny tany samihafa, satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony dia nanaraka ny sampin’ny razany. Ary Izaho koa no nanome azy didy tsy tsara sy fitsipika izay tsy mahavelona azy. Dia nandoto azy tamin’ny fanatiny Aho, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamakivaky ny afo, ka nataoko very hevitra izy, mba ho fantany fa Izaho no TOMPO. Koa mitenena amin’ny taranak’Israely, ry zanak’olona, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’izao no mbola nanamavoan’ny razanareo Ahy tamin’ny nivadihany tamiko: Nony nitondra azy ho any amin’ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho dia nahita ny vohitra avo rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanolorany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny. Dia hoy Aho taminy: Ahoana moa ny amin’ny toerana fanaovana sorona alehanareo? Koa toerana fanaovana sorona no natao anarany mandraka androany. Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa tsy mandoto tena araka ny lalan’ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany, ary mandoto tena amin’ny sampinareo rehetra mandraka androany amin’ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamakivaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’Israely? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho. Tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritra ao an-tsainareo hoe: Ho tahaka ny Jentilisa izahay, dia tahaka ny foko any amin’ny tany samihafa ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ny vato aman-kazo. Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tanana mahery sy sandry atsotra ary fahatezerana miraraka no hanjakako aminareo. Ary amin’ny tanana mahery sy ny sandry atsotra ary amin’ny fahatezerana miraraka no hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo. Dia hoentiko ho any an-tany efitry ny firenena ianareo ka any no hifandaharako mifanatrika aminareo. Tahaka ny nifandaharako tamin’ny razanareo tany an-tany efitry ny tany Ejipta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Hampandaloviko eo ambanin’ny tehina ianareo ka hoentiko amin’ny fatoran’ny fanekena. Havahako hiala aminareo ny mpikomy sy izay manota Amiko; eny, hoentiko hiala amin’ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ny tanin’ny Israely izy. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Ary ny aminareo, ry taranak’Israely, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Samia mandeha ianareo ka manompoa ny sampinareo! Nefa any aoriana any, moa tsy mba hihaino Ahy mihitsy va ianareo? Tsy hanamavo ny anarako masina intsony amin’ny fanatitrareo sy amin’ny sampinareo ianareo. Fa ao amin’ny tendrombohitro masina, dia ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra, no hanompoan’ny taranak’Israely rehetra Ahy, dia izay rehetra ao amin’ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanomezanareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ny zava-masinareo rehetra. Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ny hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ny tany samihafa nampielezana anareo; dia hiseho ho masina eo anatrehan’ny Jentilisa Aho amin’ny hataoko aminareo. Ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa mitondra anareo ho any amin’ny tanin’ny Israely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana homena ny razanareo. Ary hotsaroanareo any ny lalanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra nataonareo. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ny anarako, fa tsy araka ny lalan-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manatreha ny atsimo ary mitenena manandrify ny atsimo! Maminania ny amin’ny hamelezana ny ala any Negeva! Lazao amin’ny ala amin’ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda fa ho main’ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra. Ho hitan’ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no nampirehitra io ka tsy ho faty io. Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Hoy ny fitenin’ny olona ahy: Tsy oha-teny ihany va no lazain’io? Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manandrifia an’i Jerosalema ary mitenena manandrify ny fitoerana masina! Maminania ny amin’ny hamelezana ny tanin’ny Israely! Lazao amin’ny tanin’ny Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin’ny tranony ny sabatro ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao. Satria haringako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no itsoahan’ny sabatro amin’ny tranony mba hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra. Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no nanatsoaka ny sabatro tamin’ny tranony. Tsy hiverina ao intsony izany. Ary ianao, ry zanak’olona, midridridridria fa tapaka andilana, eny, midridridridria amin’ny fangidiana eo imasony! Ary raha misy miteny aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Misy vaovao tonga. Ho ketraka ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, hivarahontsana ny fanahy rehetra ary ho tonga rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, maminania! Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Sabatra! Sabatra re! Voaranitra sady mangirana koa. Voaranitra mba hahafaty be izany, mangirana ka hanelatselatra izany. Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon’ny zanako no mamingavinga ny hazo rehetra? Natao mangirana izany mba horaisin-tanana; voaranitra io sabatra io sady mangirana mba hatolotra eo an-tanan’ny mpamono. Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’olona! Fa mihatra amin’ny oloko izany, dia amin’ny lehibe rehetra amin’ny Israely; lavon’ny sabatra miaraka amin’ny oloko izy. Koa tehafo ny fenao! Fizahan-toetra izao! Koa inona no hitranga, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona? hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ka mitehafa tanana! Aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra! Dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny lehibe no manemitra azy. Nahebihebiko teny amin’ny vavahadiny rehetra ny sabatra mba hahaketraka ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! Nataoko nanelatselatra izany sady voatsoaka hamono. Miomàna ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa ka mandrosoa eo ankavia, amin’izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza! Hiteha-tanana koa Aho ary hanampatra ny fahatezerako. Izaho TOMPO no nilaza izany. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ianao, ry zanak’olona, manaova lalana roa hiavian’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilona; avy amin’ny tany iray no hiavian’izy roa. Manaova famantaran-dalana ka eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ny tanàna no anaovanao azy. Manaova lalana hiavian’ny sabatra ho any Raban’ny taranak’i Amona sy ho an’i Joda ao Jerosalema, tanàna mimanda. Fa ny mpanjakan’i Babilona dia mijanona eo amin’ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ny lalana roa mba hisikidy; manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ny terafima sy mizaha amin’ny atin-kena. Eo an-tanany havanana ny sikidy izay manondro an’i Jerosalema mba hametrahany lohondry fandravana, hiantsoantsoany hampanao famonoana, hanandratany feo amin’ny akoran’ady, hametrahany lohondry fandravana eo akaikin’ny vavahady, hanandratany tovon-tany sy manda fanafihana. Heverin’ny olona fa sikidy lainga ihany izany satria ireo dia efa nanao fianianana mafy, nefa NY TOMPO no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo nampahatsiaro ny helokareo tamin’ny nampiharihariana ny fahadisoanareo ka nampiseho ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, noho izany fahatsiarovana ny momba anareo izany dia hosamborina ianareo. Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy, lozan-tany, dia ilay mpanjakan’ny Israely, izay tapitra andro amin’ny fotoanan’ny heloka tena mahafaty, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hesorina ny fehiloha, ary halàna ny satroboninahitra. Miova ny zavatra rehetra! Hasandratra ny iva ary haetry ny avo. Faharavana, faharavana, faharavana! Izany ho hataoko aminy. Efa niova sahady ny zavatra rehetra mandra-pahatongan’izay tena tompon’ny fitsarana ka hatolotro azy izany. Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny taranak’i Amona sy ny latsa ataony dia lazao hoe: Indro sabatra! Sabatra voatsoaka hamono! Mangirana izany ka handringana sy hanelatselatra! Ao anatin’ny fahitana mamitaka sy ny faminaniana mandainga ataonao no handrasàny ny tendanao miaraka amin’ireo ratsy fanahy lozan-tany, izay tapitra andro amin’ny fotoanan’ny heloka tena mahafaty. Avereno ao amin’ny tranony ny sabatrao. Any amin’ny tany namoronana anao, dia any amin’ny tany niavianao no hitsarako anao. Haidiko aminao ny fahavinirako; ny afon’ny fahatezerako no hotsofiko aminao ka hatolotro eo an-tanan’ny olona kentrina izay mpamorona fandringanana ianao, dia hataina amin’ny afo ianao; hijanona eny amin’ny tany ny ranao; tsy hotsaroana ianao; fa Izaho TOMPO no niteny izany. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra! Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity dia tanàna mpandatsa-dra ao ampovoany, koa noho izany dia tonga ny fotoanany sady manao sampy mampahaloto azy ao aminy izy! Ny ra izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nampahaloto anao. Nampahafohy ny andronao ianao ka tonga ny fetran’ny taonanao. Koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ny Jentilisa sy ho fanakoran’ny tany rehetra. Na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba. Indreo, ny lehiben’ny Israely ao aminao dia samy mampiasa ny sandriny avy mba handatsa-dra. Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena. Hamavoinao ny zavatra masina ary lotoinao ny Sabatako. Ao aminao no misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-dra; ary ao aminao no misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao no misy manao fahavetavetana. Ao aminao no misy mandry amin’ny rainy; ao aminao no misy misavika izay mararin’ny fadimbolana. Misy manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny, zanakavavin’ny rainy. Ao aminao no misy mandray kolikoly handatsa-dra. Maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ny namanao ka manadino Ahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ny tsy marina sy ny fandatsahan-dra tao aminao. Hahatoha va ny fonao, na hatanjaka va ny tananao amin’ny andro izay hifanatrehako aminao? Izaho TOMPO no nilaza sady hanatanteraka izany. Haeliko any amin’ny Jentilisa sy hahahako any amin’ny tany samihafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao. Dia ho hitan’ny Jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ny taranak’Israely dia efa tonga tain-drendrika Amiko; izy rehetra dia varahina, firapotsy, vy ary firaka ao anatin’ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo rehetra dia tonga tain-drendrika dia indro, hangoniko ao afovoan’i Jerosalema ianareo. Toy ny fanangonana volafotsy, varahina, vy, firaka ary firapotsy ho ao anatin’ny memy ka misy mifofotra azy amin’ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika. Eny, hangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin’ny afon’ny fahatezerako Aho ka ho voarendrika ao anatiny ianareo. Toy ny fandrendrika volafotsy ao anatin’ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny. Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no nampidina ny fahatezerako aminareo. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Ianao no tany tsy voadio sady tsy nilatsahan’ny ranonorana tamin’ny andron’ny fahatezerana. Manao tetika fikomiana ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy. Ny mpisorona ao aminy dia mandika ny lalànako sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsy fitovian’ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho. Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-dra sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ny tsy marina. Ny mpaminaniny dia mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra! Nefa NY TOMPO tsy niteny tsinona. Ny vahoaka dia manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra, ary ny vahiny dia ampahoriny tsy ara-drariny. Nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ny banga eo anatrehako hifona ho an’ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita. Koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ny fahatezerako no handaniako azy. Hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Ry zanak’olona, nisy vehivavy mirahavavy, iray reny. Nijangajanga tany Ejipta izy; tany no nisafosafoana ny tratrany, ary tany no nitsapatsapana ny nonon’ny faha-virijininy. Ny anaran’ny zokiny dia Ohola ary ny rahavaviny dia Oholiba, ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ny anarany: i Samaria no Ohola ary i Jerosalema no Oholiba. Ary raha mbola vadiko i Ohola dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ireo mpitia azy, dia ny Asiriana mifanakaiky aminy, izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tanora bikana izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly. Nijangajanga tamin’ireny izy, dia tamin’izay tsara indrindra tamin’ny zanakalahin’i Asiria sy tamin’izay rehetra nahamaimay azy; tamin’ny sampiny rehetra no nandotoany tena. Ny fijangajangana izay fanaony hatrany Ejipta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ny faha-virijininy sady nanaram-po nijangajanga taminy. Noho izany dia natolotro ho eo an-tanan’ireo mpitia azy izy, dia eo an-tanan’ny Asiriana izay nahamaimay azy. Ireny no mampiseho ny fitanjahany; ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan’ireny, ary ny tenany dia novonoiny tamin’ny sabatra ka tonga ambentinteny tamin’ny vehivavy izy ary niharan’ny fitsarana. Nony hitan’i Oholiba rahavaviny izany dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany dia manoatra noho ny an’ny rahavaviny. Maimay tamin’ny Asiriana mifanakaiky aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tanora bikana izy rehetra. Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan’izy mirahavavy; Ary mbola nampitomboiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sary olona voasoratra teo amin’ny rindrina izy sy ny sarin’ny Kaldeana voasoratra tamin’ny loko mena. Samy nanao fehikibo izy ary fehiloha nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny zanak’andriana, dia tahaka ny zanakalahin’i Babilona izay teraka tany amin’ny tany Kaldea. Ary raha vao hitan’ny masony ireny dia maimay taminy izy ka nandefa iraka ho any aminy tany Kaldea. Dia tonga tany aminy ho ao amin’ny fandrianam-pitiavana ireny zanakalahin’i Babilona ireny ka nandoto azy tamin’ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ireny izy dia tonga leony azy. Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy dia tonga leony azy Aho, toy ny nankaleo Ahy tamin’ny rahavaviny. Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy ka nahatsiaro ny andron’ny fahatanorany izay nijangajangany tany amin’ny tany Ejipta. Fa izy dia maimay tamin’ireo lehilahiny maloto fiaina ireo, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ny soavaly. Nitady ny fijangajangan’ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ny Ejiptiana ny nononao, satria nonon’ny faha-virijininao ireo. Koa izao, ry Oholiba, no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hotairiko hamely anao ireny mpitia anao izay efa nankaleo anao ireny ka ho entiko avy amin’ny tany manodidina izy mba hamely anao, dia ireny zanakalahin’i Babilona mbamin’ny Kaldeana rehetra, dia i Pekoda sy i Soa ary i Koa, ary ny Asiriana rehetra koa dia miaraka aminy; tanora bikana izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak’andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra. Ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy fitondra miady ary fiara mbamin’ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao; hatolotro azy ny fitsarana ka hitsara anao araka ny fitsarany izy. Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko ka hamely anao amin’ny fahatezerana ireny. Hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ny sabatra ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao dia holevonin’ny afo. Hendahany ny lambanao sady hesoriny aminao ny firavakao soa. Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin’ny tany Ejipta ka tsy handrandrainao aminy intsony ny masonao sady tsy hotsarovanao intsony i Ejipta. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatolotro eo an-tanan’izay halanao ianao, dia eo an-tanan’izay efa nankaleo anao. Hamely anao amin’ny fankahalana izy dia hesoriny ny vokatry ny asanao ka hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan’ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao. Hatao aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny Jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ny sampiny. Tamin’ny lalan’ny rahavavinao koa no nalehanao, koa hataoko eo an-tananao ny kapoakany. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’ny kapoakan’ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina aty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao. Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahaverezan-kevitra sy fandringanana, dia ny kapoakan’i Samaria rahavavinao. Hosotroinao sy hotrohinao izany ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao. NY TOMPO niteny tamiko hoe: Ry zanak’olona, tsy hotsarainao va i Ohola sy i Oholiba? Asehoy azy ny fahavetavetany fa efa nijangajanga izy sady misy ra ny tanany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zanany lahy naterany ho Ahy dia nampamakivakiny ny afo ho an’ireny mba ho levona. Izao koa no nataony Tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin’izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa. Ary nony efa novonoiny ho an’ny sampiny ny zanany dia nidirany tamin’iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny. Koa, e! Izany no nataony tao anatin’ny tranoko. Ary koa, nandefa iraka haka lehilahy avy lavitra ireo; eny, nandefa iraka izy ka indreo, tonga izay efa nandroany sy nanosorany loko mainty ny masony sy niravahany ary nipetrahany tamin’ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahany ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko. Ary teo aminy dia nisy ny feon’ny maro izay nipetraka tsy nanana ahiahy, ary afa-tsy ny vahoaka maro dia nisy mpiboboka noentina avy tany an-tany efitra; ary nasian’ireo haba teny an-tanan’izy mirahavavy ary satroboninahitra tsara tarehy teny an-dohany. Dia hoy Aho ny amin’ilay efa tontan’ny fijangajangana ela: Amin’izao dia mbola hisy hijangajanga amin’io ihany va? Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona, toy ny ankanesany ao amin’ny vehivavy janga, toy ny efa nankanesany tao amin’i Ohola sy i Oholiba, vehivavy janga. Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-dra, satria mijangajanga izy sady misy ra ny tanany. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hoentiko hamely azy ny olona maro ka hatolotro ho fampangovitana sy ho babo izy. Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin’ny sabatra; hovonoiny ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ary hodorany amin’ny afo koa ny tranony. Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin’ny tany, mba hahazo anatra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo ny vehivavy rehetra. Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo ary hoentinareo ny heloka noho ny sampinareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra. Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, soratinao ny anaran’ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan’i Babilona dia manomboka mamely an’i Jerosalema amin’izao andro anio izao. Milazà fanoharana amin’ny taranaka maditra ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana ka asio rano ao anatiny. Arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izany. Alao ny ondry voafantina dia tohofy kitay betsaka ao ambaniny ka angony eo ambaniny ny taolana, dia ampangotrahy tsara izany ka andrahoy ao ny taolany. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany fa aza anaovana antsapaka. Fa ny rany dia ao aminy; teo ambonin’ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka izany. Mba hampiakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny rany teo ambonin’ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra! Izaho koa hamory kitay betsaka. Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena ka asio zavatra hahamanitra azy ary aoka ho may ny taolana. Dia foàny ny vilany ka ataovy eo ambonin’ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahina ao aminy ka ho levona ny fahalotoany ao anatiny, ary ho afaka ny harafesina aminy. Lany foana ny hasasarana, nefa tsy nety afaka ny harafesimbeny; aoka ho eo amin’ny afo ny harafesina aminy! Ny fahavetavetanao dia ao amin’ny fahalotoanao; satria nanadio anao Aho nefa tsy nadio ianao, koa tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoana intsony ianao raha tsy hanamparako ny fahatezerako. Izaho TOMPO no niteny; ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina. Araka ny lalanao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, indro, hesoriko amin’ny loza indray mamely monja ilay tian’ny masonao. Nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao. Misentoa mangingina ihany ianao fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny fehilohanao, ary asio kapa ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny sakafo aterin’ny olona. Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho, ary nony hariva dia maty ny vadiko. Nony maraina indray dia nanatanteraka izay nandidiana ahy aho. Dia hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin’izao ataonao izao? Dia hoy aho taminy: Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan’ny herinareo, dia ilay tian’ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo izay nilaozanareo. Dia hanao tahaka ny nataoko ianareo: Tsy hanarona ny saokanareo ianareo, na hihinana ny sakafo aterin’ny olona; ho eo an-dohanareo ny fehilohanareo ary ho eo an-tongotrareo ny kapanareo; tsy hisaona na hitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko. Ary i Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo. Araka izay rehetra nataony no hataonareo. Ary rehefa tonga izany dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra. Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako aminy ny heriny, ny fifaliany, ny voninahiny, ilay tian’ny masony sy ilay tian’ny fanahiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, amin’izany andro izany dia hisy olona afa-nandositra ho tonga any aminao mba hampandre izany aminao. Amin’izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ny vavan’ilay mpandositra ny vavanao. Dia hiteny ianao ka tsy ho moana intsony, ary ho famantarana mahagaga aminy ianao; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manandrifia ny Amonita ary maminania ny hamelezana azy ka lazao aminy hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitenenanao hoe: Hia! Akory izay! Rehefa nolotoina ny fitoerako masina ka nopotehina ny tanin’ny Israely, sady lasan-ko babo ny taranak’i Joda, dia indro, hatolotro ho fananan’ny zanaky ny Atsinanana kosa ianao ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao. Raba dia hataoko tany fitoeran’ny rameva, ary ny taranak’i Amona ho tany fandrian’ny ondry aman’osy; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ny tongotrao ary ny nifalian’ny fonao tamin’ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ny Israely dia indro, hatsotrako aminao ny tanako ka hatolotro ho babon’ny Jentilisa ianao; hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ny tany; eny, haringako ianao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nanaovan’i Moaba sy i Seìra hoe: Indro, ny taranak’i Joda izao dia efa tonga tahaka ny firenena rehetra dia indro, hotatahako kosa ny sisin’ny Moaba, hatrany amin’ny tanànany rehetra, ny tanànany izay ravaky ny tany, hatrany amin’ny sisintaniny, dia i Bety-Jesimota sy i Baala-Meona ary i Kiriataima. Hatolotro ho fananan’ny zanaky ny Atsinanana, tahaka ny taranak’i Amona koa izy, mba tsy hotsarovana any amin’ny firenena intsony ny taranak’i Amona. Ary hotanterahiko ny fitsarana an’i Moaba; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ireo valifaty nataon’i Edoma tamin’ny taranak’i Joda ka nahameloka azy be tamin’izany valifaty izany, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsotrako amin’i Edoma ny tanako ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ny sabatra hatrany Dedana. Ny tanan’ny Israely oloko no hoentiko mamaly an’i Edoma ka hamely azy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; dia ho fantany ny famaliako, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny valifaty nataon’ny Filistina, eny, noho izy namalifaty sy ny fanaovana tsinontsinona tamin’ny fony rehetra ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatsotrako amin’ny Filistina ny tanako ka haringako ny Keretita ary holevoniko izay sisa any amoron-dranomasina; Famaizana mirehitra no hoentiko manatanteraka famaliana lehibe aminy. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako. Tamin’ny andro voalohany amin’ny volana, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, noho ny nandatsan’i Tiro an’i Jerosalema hoe: Hia! Akory izay! Potika ilay vavahadin’ny firenena! Mba anjarako kosa izao ka ho feno aho, fa izy kosa dia ho foana! Dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Tiro, ka hampiakatra firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany. Horavan’ireo ny mandan’i Tiro sady harodany ny tilikambo fiambenany, dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy. Ho toerana famelarana harato eo amin’ny ranomasina izy. Izaho no niteny izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho babon’ny firenena izy, ary ny vohitra miankina aminy, izay eny an-tanety, dia hovonoina amin’ny sabatra, dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, entiko avy any avaratra ho any Tiro i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, andrianan’ny andriana, mitondra soavaly, kalesy fitondra miady, mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka. Ny vohitra miankina aminao, izay eny an-tanety, dia hovonoiny amin’ny sabatra; hanandratra manda fanafihana sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy. Hanoto ny mandanao amin’ny lohondry vy fandravana izy sady horavany amin’ny fiadiany ny tilikambo fiambenanao. Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny hamaroan’ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodiarana ary ny kalesy fitondra miady, rehefa miditra eo amin’ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ny tanàna izay voabanga izy. Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin’ny sabatra ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin’ny tany. Hobaboiny ny harenanao, horobainy ny entam-barotrao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinaritra; ary ny vatonao sy ny hazonao ary ny vovoka eo aminao dia hataony any anaty rano. Hatsahatro ny tabataban’ny hiranao sady tsy ho re intsony ny fanenon’ny lokanganao. Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho toerana famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho TOMPO no niteny, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’i Tiro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary feno famonoana ao anatinao? Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ireo andrianan’ny ranomasina rehetra ka hanala ny akanjobe sy hanaisotra ny fitafiany misoratsoratra; hovitra no hitafiany ka hipetraka amin’ny tany izy; hangovitra isaky ny indray mipy maso izy ary ho very hevitra noho ny aminao. Ary hanao hira fisaonana ny aminao izy ka hiteny aminao hoe: Indrisy! Rava ianao, ry ilay nonenan’ny mpandeha an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ny ranomasina, dia izy mbamin’ny mponina ao izay nampihorohoro ny mponina rehetra eo aminy! Ankehitriny dia raiki-tahotra ny moron-dranomasina amin’ny andro ianjeranao; eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny faharavanao. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa ataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna aolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano ao amin’ny lalina ka hosaronan’ny ranobe ianao, dia hampidiniko hiaraka amin’izay mivarina any an-davaka ianao, hankany amin’ny razana fahiny ka hamponeniko any ambanin’ny tany ianao, dia any amin’ny fonenana efa lao hatramin’ny ela, hiaraka amin’izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony ianao. Hasiako voninahitra eo amin’ny tanin’ny velona; dia hataoko fampitahorana ianao ka tsy ho eo intsony; eny, hotadiavina ianao nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ianao, ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny amin’i Tiro ka teneno aminy hoe: E, ry ilay monina amin’ny vava-ranomasina, mpivaro-mandeha ho an’ny firenena, ho any amin’ny nosy maro samihafa: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, ry Tiro, ianao no efa niteny hoe: Izaho dia tena tsara tarehy! Ao afovoan’ny ranomasina ny taninao; izay nandrafitra anao dia nanao ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra. Hazo kipreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao; oaka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima no nataony fipetrahana ho an’ny mpivoinao sady nasiany gorodona ivoara. Lamba rongony madinika samihafa soratra avy any Ejipta no nataonao lay mba ho faneva; lamba manga sy volomparasy avy any amin’ny moron-dranomasin’i Elisaha no eloelonao. Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; ny olon-kendrinao tao aminao, ry Tiro, dia ireo mpitondra sambonao. Ny zokiolon’i Gebala sy izay hendry tany no mpanentsin-tsambonao tao aminao; ny sambo rehetra teny amin’ny ranomasina mbamin’ny tantsambony dia tonga tao aminao hanakalo ny entam-barotrao. Ny avy any Persia sy Loda ary Pota dia isan’ny miaramila mpiadinao; nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao. Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy avy any Gamada no teny amin’ny tilikambo fiambenanao; ny ampingany dia nahantony teny amin’ny mandanao manodidina; ireny no nahatonga ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra. I Tarsisy dia nifampivarotra taminao noho ny haben’ny harena samihafa tao aminao. Volafotsy, vy, firapotsy ary firaka no noentiny natakalo ny entanao. I Javana sy i Tobala ary i Maseka dia nifampivarotra taminao, koa olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao. Ny terak’i Togarma no nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao. Ny terak’i Dedana dia nifampivarotra taminao; ny varotra avy amin’ny nosy marobe dia nandalo teto aminao ka vangy ivoara sy hazomainty no natakalo ny entanao. I Arama dia nifampivarotra taminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao ka karbonkolo, lamba volomparasy, tenona samihafa soratra, rongony fotsy madinika, voahangy ary robisy no noentiny natakalo ny entanao. I Joda sy ny tanin’ny Israely dia nifampivarotra taminao ka varimbazaha avy tany Minita, mofomamy, tantely, diloilo ary balisama no natakalony ny varotrao. I Damaskosy dia nifampivarotra taminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao, ny haben’ny harenanao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ondry fotsy izy. I Vedana koa sy i Javana dia nitondra vy voatefy avy any Ozala, kasia ary veromanitra ho takalon’ny varotrao. I Dedana dia nifampivarotra taminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly. I Arabia sy ireo andriandahin’i Kedara rehetra dia nifampivarotra taminao ka zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no noentiny natao varotra tao aminao. Ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Rama dia nifampivarotra taminao ka zavamanitra tsara indrindra sy vatosoa samihafa karazana ary volamena no noentiny natakalo ny entanao. I Harana sy i Kane ary i Edena sy ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Asiria ary Kilmada no nifampivarotra taminao. Ireo no mpivaro-mandeha nifampivarotra taminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra: Akanjobe fanao ivelany manga sy samihafa soratra, tady voarandrana mafy, fitafiana soa, izany no ao amin’ny tsenanao. Ny sambon’i Tarsisy no mpitondra ny entanao. Tao amin’ny fahafenoana sy voninahitra be ianao tany afovoan’ny ranomasina. Noentin’ny mpivoinao teny amin’ny ranobe ianao, dia nahavaky anao tao amin’ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana. Ny harenanao, ny entam-barotrao, ny entana notaterinao, ny tantsambonao, ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao, ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ny ranomasina tamin’ny andro nandravana anao. Noho ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina; samy midina miala amin’ny sambony ny mpivoy rehetra, ny tantsambo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanona eny an-tanety; manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin’ny lohany ary mihosinkosin-davenona; nosolaina avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana, mitomany anao amin’ny fangidiam-panahy sy fisaonana mafy. Ary raha midradradradra izy dia manao hira fisaonana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza no tahaka an’i Tiro, dia tahaka ilay mangina ao ampovoan’ny ranomasina? Raha nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entam-barotrao dia nahatretrika firenena maro ianao; tamin’ny haben’ny harenanao sy ny entana notaterinao dia nampanankarena ny mpanjakan’ny tany ianao. Tamin’ny andro nandravan’ny ranomasina anao ho any amin’ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny entana notaterinao sy ny olona tafangona tao aminao. Talanjona ny mponina rehetra amin’ny moron-dranomasina noho ny aminao, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka mivalomainty. Misiotsioka ny mpivaro-mandeha amin’ny firenena noho ny aminao; tonga zava-mahatahotra ianao ary tsy hisy intsony mandrakizay! Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, lazao amin’ny mpanapaka an’i Tiro hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria miavonavona ny fonao ka hoy ianao hoe: Mba andriamanitra koa aho; eto amin’ny fitoeran’ny andriamanitra no ipetrahako, eto ampovoan’ny ranomasina! Nefa olona ihany ianao fa tsy andriamanitra tsinona. Na dia noheverinao ho toy ny fon’ny andriamanitra aza ny fonao, Hay! Hendry noho i Daniela ianao! Tsy misy zavamiafina azo afenina aminao! Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao harena. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin’ny trano fitahirizanao. Ny haben’ny fahendrenao tamin’ny varotrao no nampitomboanao ny harenanao ka miavonavona ny fonao noho ny harenanao. Koa indro, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria efa noheverinao ho toy ny fon’andriamanitra ny fonao, dia indro, hitondra olona hafa firenena hamely anao Aho, dia izay masiaka indrindra amin’ny firenena, koa hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao. Havariny ho any an-davaka ianao ka ho faty toy ny fahafatesan’izay voatrabaka ao amin’ny ranomasina. Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason’izay mamono anao hoe: Mba andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy andriamanitra tsinona, rehefa eo an-tanan’izay manatrabaka anao Tahaka ny fahafatesan’ny tsy voafora no hahafatesanao amin’ny tanan’ny fahavalo. Fa Izaho no niteny, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny amin’ny mpanjakan’i Tiro ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ry ilay nanao ny rafitra tonga lafatra sy fakan-tahaka, sady feno fahendrena no tena tsara tarehy, tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao; ny vatosoa rehetra, ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny oniksa, ny krizolita, ny berila, ny jaspy, ny safira, ny robisy, ny emeraoda ary ny volamena izay nandravaka ny ampongatapakao sy ny sodinao, tamin’ny andro namoronana anao dia natao koa ireo. Ianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; tao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra ianao; teo amin’ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. Tsy nanan-tsiny ianao tamin’ny nalehanao, hatramin’ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. Noho ny habetsahan’ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao ka nanota ianao; dia nolotoiko ianao ka nariako niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra. Nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, ka tsy eo amin’ny vato mirehitra intsony. Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; nosimbanao ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao; nazerako eny amin’ny tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka. Noho ny haben’ny helokao tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao dia voalotonao ny fitoeranao masina; koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ny tany ianao eo imason’izay rehetra mijery anao. Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; ho tonga zava-mahatahotra ianao ary tsy hisy intsony mandrakizay! Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manandrifia an’i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Sidona! Ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin’ny ataoko aminy. Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary ra eny an-dalambeny; hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny rehetra eny; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ny taranak’Israely, avy amin’ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamanitra. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa angoniko avy any amin’ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’Israely dia hiseho ho masina eo imason’ny firenena Aho amin’ny ataoko aminy ka honina any amin’ny taniny izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy. Dia handry fehizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fehizay izy amin’ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamaniny. Tamin’ny andro faharoa amby folo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manandrifia an’i Farao mpanjakan’i Ejipta ka maminania ny hamelezana azy mbamin’i Ejipta rehetra. Mitenena ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’i Ejipta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ny Neiliny, dia ilay niteny hoe: Ahy ny Neiliko, Izaho no namorona azy ho an’ny tenako! Hasiako farango ny valanoranonao dia hampiraiketiko amin’ny kiranao ny hazandrano ao amin’ny Neilinao ka hampiakariko avy eo afovoan’ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ny Neilinao dia hiraikitra amin’ny kiranao. Dia hariako any an-tany efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ny Neilinao. Hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina, fa homeko hohanin’ny bibidia sy ny voromanidina ianao. Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Izaho no TOMPO, satria tehina volotara fandrefesana ho an’ny taranak’Israely izy. Rehefa mandray anao amin’ny tanany izy dia folaka ianao ka voatsindronao ny helik’izy rehetra; ary rehefa mitehina aminao izy dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny andilan’izy rehetra. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby. Ny tany Ejipta ho rava sy lao, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Satria hoy izy: Ahy i Neily, ary izaho no nanao azy! Dia indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Ejipta dia hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Siena, dia hatrany amin’ny sisintanin’i Kosy. Tsy hodiavin-tongotr’olona ny tany, ary ny tongo-biby aza dia tsy handia azy, sady tsy honenana efapolo taona izy. Ary ny tany Ejipta dia hataoko tany rava ao amin’ny tany rava, ary ny tanànany dia ho lao ao amin’ny tanàna lao, efapolo taona. Eny, haeliko ho any amin’ny firenena any ny Ejiptiana ary hahahako any amin’ny tany samihafa. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa afaka efapolo taona dia hangoniko avy any amin’ny firenena izay nielezany ny Ejiptiana. Haveriko amin’ny toerany eo aloha indray izy ka hampodiko any amin’ny tany Patrosa, tany niaviany, izy, ary any izy dia ho fanjakana ambany laharana; eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin’ny firenena hafa intsony; fa hohakeleziko izy ka tsy hanapaka amin’ny firenena intsony. Dia tsy ho tokin’ny taranak’Israely intsony izy ka ho fampahatsiarovana ny helony amin’ny andehanan’ireo hanaraka azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamanitra. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahafito amby roapolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny miaramilany tamin’ny namelezany an’i Tiro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tiro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ny namelezany azy. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, homeko an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny tany Ejipta, dia halainy ny harenany, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ny miaramilany. Ho valin’ny fanompoana nataony tany Tiro no nanomezako azy ny tany Ejipta, satria nataony ho Ahy izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Amin’izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an’ny taranak’Israely Aho, ary hataoko miloa-bava eo aminy ianao; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO nanao hoe: Ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro! Fa antomotra ny andro, Eny, antomotra ny Andron’NY TOMPO: Andro mandrahona sy fotoanan’ny Jentilisa izany. Hisy sabatra tonga any Ejipta ary fangorohoroana fatratra any Kosy, rehefa miampatrampatra any Ejipta ny voatrabaka, ary ho lasa ny harenany sady ho rava ny fanorenany. I Kosy, i Pota, i Lidia, ny olona samihafa firenena rehetra, ny Kobiana ary ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy. Izao no lazain’NY TOMPO: Ho lavo koa izay manohana an’i Ejipta ary hietry ny fiavonavonan’ny heriny; hatrany Migdola ka hatrany Siena no ho lavon-tsabatra izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho rava ao amin’ny tany rava izy, ary ny tanànany dia ho lao ao amin’ny tanàna lao, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO rehefa mampirehitra afo any Ejipta Aho ka torotoro izay rehetra manampy azy. Amin’izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy Amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Kosita izay mitoetra tsy manana ahiahy, dia hangorohoro tahaka ny tamin’ny andro namelezana an’i Ejipta izy. Fa indro, avy izany! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny tanan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona no hoentiko mandevona ny harenan’i Ejipta. Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ny firenena, no hoentina handrava ny tany; hanatsoaka ny sabany hamely an’i Ejipta ireny ka ho feno faty ny tany. Hahatankina an’i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ny hafa firenena no hoentiko mandrava ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy. Izaho TOMPO no niteny izany. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamanitra tsy izy ao Nofa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin’ny tany Ejipta. Handrava an’i Patrosa Aho ary hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an’i No. Hampidina ny fahatezerako amin’i Sina, fiarovana mafy any Ejipta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No. Hampirehitra afo any Ejipta Aho; hiolanolana fatratra i Sina noho ny faharariany; ho voabanga ny mandan’i No ary i Nofa dia hasian’ny fahavalo amin’ny andro antoandro. Ny zatovon’i Avena sy Py-Beseta dia ho lavon-tsabatra sady ho lasan-ko babo ny ao. Any Tapanesa dia ho maizina ny andro rehefa tapahiko any ny ziogan’i Ejipta ka hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; hisy rahona hanarona azy sady ho lasan-ko babo ny zanany vavy. Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an’i Ejipta; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ny sandrin’i Farao mpanjakan’i Ejipta dia efa notorotoroiko, ary e! Tsy notsaboina mba ho sitrana izy na nofehezina lamba mba hanatanjaka azy ka hahatan-tsabatra. Koa izany no nanaovan’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Indro, hamely an’i Farao mpanjakan’i Ejipta Aho ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tanany Aho. Dia haeliko ho any amin’ny firenena samihafa ny Ejiptiana ka hahahako any amin’ny tany samihafa. Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilona ka hataoko eny an-tanany ny sabatro; hotorotoroiko ny sandrin’i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan’ny voatrabaka izy. Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilona, dia hiraviravy ny sandrin’i Farao ka ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa ataoko eny an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny sabatro ka haingainy hamelezana ny tany Ejipta. Dia haeliko ho any amin’ny firenena samihafa ny Ejiptiana ka hahahako any amin’ny tany samihafa; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, lazao amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta sy amin’ny vahoakany marobe hoe: Tahaka an’iza moa ianao amin’ny fahalehibiazanao? Indro, i Asiria dia sedera tsara rantsana any Libanona, misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo ka mitehika amin’ny rahona matevina ny tendrony. Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano any amin’ny lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakandranony hankany amin’ny hazo rehetra any an-tsaha. Koa nisandratra ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan’ny rano tamin’ny fisandrahany. Teo amin’ny sampany no nanaovan’ny voromanidina rehetra akany ary teo ambanin’ny rantsany no niterahan’ny bibidia rehetra, sady teo amin’ny alokalony no nitoeran’ny firenena marobe. Koa tsara tarehy tamin’ny fahalehibiazany sy ny halavan’ny sampany izy, fa tany amin’ny rano maro ny vahany. Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin’ny sahan’Andriamanitra; tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kipreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin’ny sahan’Andriamanitra. Nohatsaraiko tamin’ny haben’ny rantsany ny tarehiny ka nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin’ny sahan’Andriamanitra. Koa izany no nitenenan’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Satria nisandratra avo ianao ka nanandratra ny lohanao teo amin’ny rahona matevina, ary nirehareha ny fonao noho ny haavony, dia hatolotro eo an-tanan’ilay mahery amin’ny firenena ianao; hamely anao tokoa io; noho ny faharatsianao no nandroahako anao. Izay fahavalo masiaka indrindra amin’ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; ary dia nihahaka teny an-tendrombohitra sy lohasaha rehetra teny ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ny ony rehetra amin’ny tany ny rantsany; dia nidina niala tamin’ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy azy. Mipetraka eo amin’ny vatany nianjera ny voromanidina rehetra ary eny amin’ny sampany ny bibidia rehetra mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny haavony ny hazo rehetra eny amoron’ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ny rahona matevina sady tsy hisy hitoky amin’ny haavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra. Fa voatolotra ho faty ho any ambanin’ny tany izy rehetra, ho any amin’ny zanak’olombelona, dia any amin’izay midina any an-davaka. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny fitoeran’ny maty dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano any amin’ny lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy ka nijanona ny ranobe; nampisaoniko i Libanona noho ny aminy ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha. Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena rehefa nampidiniko ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ho naman’izay midina any an-davaka; ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny notsongaina sady soa indrindra any Libanona, izay mifo-drano rehetra, dia samy nampionona ny tenany any ambanin’ny tany. Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ny fitoeran’ny maty ho any amin’izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ireo izay nianteherany ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony teo amin’ny firenena. Tahaka an’iza amin’ny hazo any Edena moa ianao amin’izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ny tany miaraka amin’ny hazo any Edena ianao. Eo amin’ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’izay voatrabaky ny sabatra. I Farao sy ny vahoakany marobe rehetra izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa amby folo, tamin’ny taona faharoa amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta ka lazao aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ny ranomasina; nitsoriaka teny amin’ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ny tongotrao ka nahaloto ny ony. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny firenena betsaka tafatambatra no hoentiko mamelatra ny haratoko aminao ary hakarin’ireny amin’ny haratoko ianao. Hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voromanidina rehetra ka homeko hivokisan’ny bibidia rehetra ny tenanao. Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha. Hataoko safotry ny ranao ny tany, hatramin’ny tendrombohitra aza; ary ho feno anao ny ony. Rehefa vonoiko ny fahazavanao dia hosaronako ny lanitra; hotafiako lamba fisaonana ny kintany; ny masoandro dia hotakonako rahona ary ny volana dia tsy hangarangarana. Eny, noho ny aminao dia hotafiako lamba fisaonana avokoa ireny fanazavana eny amin’ny lanitra ireny ary hosaronako haizina ny taninao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Hataoko sosotra ny fon’ny firenena maro rehefa ampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia ny amin’ny tany izay tsy fantatrao. Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, rehefa asidiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava noho ny ainy izy amin’ny andro haharavanao. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny sabatry ny mpanjakan’i Babilona dia ho tonga aminao. Ny sabatry ny mahery izay samy masiaka indrindra amin’ny firenena, no hoentiko mandavo ny vahoakanao marobe, dia horavany ny reharehan’i Ejipta ka ho fongotra ny vahoakany marobe rehetra. Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron’ny ranobe, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona na handoto azy ny kitron’ny biby fiompy. Dia hampandriako ny ranony ka hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy NY TOMPO Andriamanitra, Rehefa ataoko lao ny tany Ejipta ka hofoanako amin’ny tany izay rehetra nahafeno azy teo; haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Izany no hira fahalahelovana hataon’ny olona. Ny zanakavavin’ny firenena no hihira izany; eny, ho fisaonana an’i Ejipta sy ny vahoakany marobe rehetra no hihirany izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana, tamin’ny taona faharoa amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, isaony ny vahoaka maroben’i Ejipta, ary ampidino izy mbamin’ny zanakavavin’ny firenena malaza ho any ambanin’ny tany, miaraka amin’izay midina any an-davaka! Mihoatra noho ny an’iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna ka mandria miaraka amin’izay tsy voafora! Any amin’ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; ny sabatra dia efa voatolotra: Tariho i Ejipta mbamin’ny vahoakany marobe rehetra! Izy sy ny nanampy azy no resahin’ireo malaza amin’ny lehilahy mahery any amin’ny fitoeran’ny maty: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra. Ao koa i Asiria mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra. Natao any amin’ny lavaka farany ambany ny fasany, ary ny vahoakany marobe dia manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ny tanin’ny velona. Ao koa i Elama mbamin’ny vahoakany marobe rehetra manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ny tanin’ny velona, samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka. Teo amin’ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany, izy rehetra dia samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra satria niely tany amin’ny tanin’ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka izy; teo amin’ny voatrabaka no nametrahany azy. Ao koa i Meseka, i Tobala mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ny tanin’ny velona izy. Tsy hiara-mandry amin’ny lehilahy mahery izay lavo isan’ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ny fitoeran’ny maty ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ny lohany ny sabany, ary ao amin’ny taolany ny helony satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ny tanin’ny velona izy. Eny, ianao dia haripaka eo amin’ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin’ny voatrabaky ny sabatra! Ao koa i Edoma mbamin’ny mpanjakany sy ny mpitarika rehetra tao aminy, izay natao ao amin’ny voatrabaky ny sabatra na dia be aza ny heriny; miara-miampatra amin’ny tsy voafora izy, sy amin’izay midina any an-davaka. Ao koa ireo mpanapaka ny any avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra izay niara-nidina tamin’ny voatrabaka; menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza; miampatra ny tsy voafora miaraka amin’izay voatrabaky ny sabatra ka mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka. Ireny dia ho hitan’i Farao ka hionona ny amin’ny vahoakany marobe izy. Voatrabaky ny sabatra i Farao mbamin’ny miaramilany rehetra, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Fa efa nahatonga ny fahatahorana Ahy any amin’ny tanin’ny velona Aho; ary i Farao dia hampandriana any amin’ny tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrabaky ny sabatra, dia i Farao mbamin’ny vahoakany marobe rehetra, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, mitenena amin’ny zanaky ny firenenao ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ny tany iray Aho, ary ny tompon-tany dia maka lehilahy iray ao aminy ka manendry azy ho mpitily, ary hitan-dRalehilahy fa indro, avy ny sabatra ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy, nefa tsy mety taitra izay mandre ny feon’ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny rany. Nandre ny feon’ny anjomara ihany izy nefa tsy nety taitra: Ho eo aminy ihany ny rany. Fa raha nety taitra izy dia ho nahavonjy ny ainy ihany. Fa raha hitan’ilay mpitily kosa fa indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ny helony ihany iny; nefa ny rany dia hadiniko amin’ny tanan’ilay mpitily. Koa ianao, ry zanak’olona, dia notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Israely, koa raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao dia izany no hoentinao mananatra azy. Raha hoy Aho amin’ny ratsy fanahy: E! Ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao, nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ny alehany, dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rany dia hadiniko amin’ny tananao. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany ratsy ihany kosa ianao, fa izy no tsy mety miala amin’izany, dia ho fatin’ny helony ihany izy nefa voavonjinao ny ainao. Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay ka mihalevona amin’izany izahay, dia nahoana no mbola velona ihany izahay? Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalanareo ratsy, fa nahoana no te ho faty ianareo, ry taranak’Israely? Ary ianao, ry zanak’olona, lazao amin’ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ny marina dia tsy hahavonjy azy amin’ny andro ahadisoany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy amin’ny andro ialany amin’ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany amin’ny andro anotany. Raha lazaiko ny amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa izy, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy. Ary koa, raha hoy kosa Aho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy ka mamerina ny natao antoka sady mampody izay nangalariny, ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy ka ho velona tokoa. Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Nefa ny lalan’ny tenany no tsy marina. Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka dia ho faty amin’izany izy. Ary raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy dia ho velona amin’izany izy. Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. E! Ry taranak’Israely, samy hotsaraiko araka ny lalany avy ianareo. Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona faharoa amby folo taorianan’ny namaboana antsika, no nisy olona nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanambara hoe: Azo ny tanàna! Efa tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO tamin’ny omaly harivan’ny andro nahatongavan’ilay nandositra izay tonga tao amiko ka nosokafany ny vavako raha tsy mbola tonga ilay mpandositra izay tonga tao amiko nony maraina. Efa nisokatra ny vavako ka tsy moana intsony aho. Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ny monina amin’ireny rava amin’ny tanin’ny Israely ireny dia miteny hoe: Irery ihany i Abrahama nefa nandova ny tany izy; fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ho lovantsika ny tany! Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Homan-javatra misy ra sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-dra; koa hahazo handova ny tany va ianareo? Mitoky amin’ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ary samy mandoto ny vadin’ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo? Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ny sabatra izay ao amin’ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay any amin’ny fierena any an-tendrombohitra sy any amin’ny lavabato dia ho fatin’ny areti-mandringana. Fa hataoko rava sy lao ny tany ary hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Israely ka tsy hisy handia azy. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa ataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony. Ary ianao, ry zanak’olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ny tranony ka samy milaza amin’ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’NY TOMPO. Dia tonga maro ao aminao izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa indro, teny mamy no lazain’ny vavany, nefa ny fony dia manaraka ny filan-karena. Koa indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry. Mandre ny teninao izy nefa tsy mety mankatò azy. Rehefa tanteraka izany zavatra izany, ary efa ho tanteraka, dia ho fantany fa nisy mpaminany tokoa tao aminy. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Israely! Eny, maminania ka lazao aminy, amin’ny mpiandry hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Israely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry? Ny taviny dia haninareo, ary ny volony dia itafinareo; ny nafahy dia vonoinareo nefa ny ondry tsy mba andrasanareo. Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na nifehy izay tapaka ny tongony, na mamerina ny diso lalana, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny nanjakazakanareo taminy. Dia miely izy satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy dia tonga rembin’ny bibidia rehetra. Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana rehetra ny ondriko; eny, any amin’ny tany rehetra no ielezan’ny ondriko ary tsy misy mitady na miahy azy. Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry mpiandry ondry: Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny ondriko tonga babo sy ny ondriko tonga rembin’ny bibidia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, ary tsy nitady ny ondriko ny mpiandry fa ny mamahan-tena kosa no ataony ka tsy namahana ny ondriko, dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry mpiandry ondry! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry fa hosarihiko avy eo am-bavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy hikarakara azy. Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny rehefa eo anivon’ny ondriny izay efa niely izy, dia toy izany no hikarakarako ny ondriko sy hisarihako azy avy amin’ny toerana rehetra nielezany tamin’ny andro mandrahona sy feno haizim-pito. Hoentiko mivoaka avy any amin’ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ny tany samihafa; hoentiko any amin’ny taniny izy ary handrasako eny amin’ny tendrombohitry ny Israely sy eny amin’ny lohasahan-driaka ary eny amin’izay tsara honenana rehetra eo amin’ny tany. Eny amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy ary eny amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no ho tany hiandrasana azy; any no handriany amin’ny tany tsara ary eny amin’ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely. Izaho no hiandry ny ondriko ary Izaho no hampandry azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ny very dia hotadiaviko, ny diso lalana haveriko, ny naratra hotsaboiko, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako. Handrasako amin’ny fitondrana tsara ny ondriko. Fa ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hotsaraiko ny adin’ny ondry aman’osy amin’ny namany, dia ny ady ataon’ny ondrilahy amin’ny osilahy. Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara no dia nohosihosen’ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny nisotroanareo ny rano madio no dia nolotoin’ny tongotrareo ny sisa? Ary ny amin’ny ondriko, moa izay voahosihosin’ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton’ny tongotrareo va no hosotroiny? Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin’ny ondry matavy amin’ny ondry mahia. Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy ka aronjinareo ho any ivelany izy, dia hovonjeko ny ondriko ka tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ny ondry amin’ny ondry namany. Hanangana mpiandry tokana ho azy, izay hiandry azy Aho, dia i Davida mpanompoko. Izy no hitondra azy, ary izy no ho mpiandry azy. Izaho TOMPO no ho Andriamaniny, ary i Davida mpanompoko no ho Mpanapaka aminy. Izaho TOMPO no niteny izany. Hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ny tany intsony, dia handry fehizay izy na dia any an-tany efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza. Izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitahiana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ny fotoanany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra. Hamoa ny hazo any an-tsaha sady hahavokatra ny tany, ary handry fehizay amin’ny tany izy; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, rehefa tapahiko ny ziogany, ary hafahako amin’ny tanan’izay nampanompo azy izy. Tsy ho babon’ny Jentilisa na ho rembin’ny bibidia intsony izy fa handry fehizay, ary tsy hisy hampitahotra azy. Ary hampaniry saha malaza ho azy Aho ka tsy ho ritran’ny mosary amin’ny tany intsony izy na hitondra ny latsan’ny Jentilisa intsony; dia ho fantany fa Izaho, NY TOMPO Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’Israely, no oloko, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary ny aminareo ondriko, izay ondry andrasako, olombelona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manandrifia ny tendrombohitra Seìra ka maminania ny hamelezana azy, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seìra! Hatsotrako aminao ny tanako ka hataoko foana sy lao ianao. Ny tanànanao dia hataoko korontam-bato, ary ianao dia ho lao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO. Noho ny fandrafianao hatry ny ela, sy ny nanoloranao ny Zanak’Israely ho fatin’ny sabatra tamin’ny andro nahitany loza, rehefa tonga tamin’ny fanaperany ny heloka, dia izao no lazain’NY TOMPO: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary ra ianao, ary ra no hanenjika anao; satria tsy nankahalainao ny ra, dia ra kosa no hanenjika anao. Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seìra ary hofongorako izay rehetra mamakivaky ao. Hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; eny, any amin’ny havoananao sy ny lohasahanao ary any amoron’ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan’izay voatrabaky ny sabatra. Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao, dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Noho ny nilazanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa ka horaisinay ny fanananay, kanefa teo ihany NY TOMPO, dia izao no lazain’NY TOMPO: Raha velona koa Aho dia hanao araka ny fahatezerana sy ny fialonana izay nasehonao tamin’ny fandrafiana azy; ary hampahafantariko azy ny tenako rehefa mitsara azy Aho. Dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO no efa nandre ny fanaratsiana izay nolazainao ny amin’ireny tendrombohitry ny Israely hoe: Tonga tany foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay. Nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo ary nanamaro ny teninareo namely Ahy, ary reko avokoa izany. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa mifaly ny tany manontolo dia hataoko tany foana kosa ianao. Toy ny nifalianao ny amin’ny lovan’ny taranak’Israely, satria tonga tany foana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Hataoko tonga tany foana ianao, ry tendrombohitra Seìra sy Edoma rehetra; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Ary ianao, ry zanak’olona, maminania amin’ny tendrombohitry ny Israely ka lazao hoe: Ry tendrombohitry ny Israely, mihainoa ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nanaovan’ny fahavalo anareo hoe: Hia! Lasanay ny havoana fahagola, dia maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ny tany manodidina ka lasan’ny Jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka tonga ambentinteny amin’ny firenena, dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra, ry tendrombohitry ny Israely: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka, ny lohasaha, ny korontam-bato ary ny tanàna aolo izay efa babo sy tonga fandatsa ho an’ny firenena sisa amin’ny manodidina, eny, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny afon’ny fahasaro-piaroko tokoa no nitenenako namely ny firenena sisa sy ny Edoma rehetra izay nahalasa ny taniko ho fananany, tamin’ny fo feno fifaliana sy tamin’ny fanahy mamingavinga mba hangoronany azy ho babo. Koa maminania ny amin’ny tanin’ny Israely ka lazao amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka ary ny lohasaha hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, amin’ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no itenenako: Noho ny nitondranareo latsa avy tamin’ny firenena, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho efa nanangan-tanana ka niteny hoe: Marina tokoa fa ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra. Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Israely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an’ny Israely oloko; fa efa antomotra ny hiavian’izany. Fa indro, tamy manatona anareo Aho ka hanatrika anareo, dia hasaina sy hamafazana ianareo. Hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak’Israely rehetra; honenana ny tanàna ary haorina indray ny efa rava. Dia hahamaro ny olona sy ny biby fiompy eny aminareo Aho ka hitombo sy hiteraka ireo; hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin’ny niandohanareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Israely oloko; dia handray anao ho fananany izy ka hahalasa anao ho lovany ary tsy hahalany fara azy intsony ianao. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitenenany taminareo hoe: Ianao, ry tany, dia mandany olona sady mahalany fara ny firenenao, dia tsy handany olona intsony ianao na hahalavo ny firenenao intsony, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Hataoko tsy mahare ny latsan’ny Jentilisa intsony ianao sady tsy hitondra ny fanaratsiana ataon’olona intsony; ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, ny taranak’Israely nonina tany amin’ny taniny dia nandoto izany tamin’ny fanaony sy tamin’ny asany; fa tahaka ny fahalotoan’ny vehivavy mararin’ny fadimbolana no fahalotoan’ny fanaony eo anatrehako. Koa naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny ra nalatsany teo amin’ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin’ny sampiny. Naeliko tany amin’ny firenena izy ka nihahaka tany amin’ny tany samihafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy. Ary nony tonga tany amin’ny firenena izay nalehany izy dia tonga fanamavoana ny anarako masina tamin’ny nilazan’ny olona azy hoe: Ireo no olon’NY TOMPO, ary avy tany amin’ny tanin’NY TOMPO no nivoahany! Dia notsimbiniko ny anarako masina izay nohamavoin’ny taranak’Israely tany amin’ny firenena izay nalehany. Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’Israely, fa noho ny anarako masina izay nohamavoinareo tany amin’ny Jentilisa izay nalehanareo. Hohamasiniko ny anarako lehibe izay nohamavoinareo tany amin’ny Jentilisa, dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, hoy NY TOMPO Andriamanitra, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ny ataoko aminareo. Fa halaiko avy any amin’ny Jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hoentiko any amin’ny taninareo. Dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo sady hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato ka homeko fo nofo ianareo. Ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo ka hahatonga anareo handeha araka ny lalànako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. Ary honina any amin’ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo; ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo. Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary ary tsy handefasako mosary intsony ianareo. Hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha mba tsy ho voalatsan’ny Jentilisa amin’ny mosary intsony ianareo. Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanaonareo tsy mety, ka haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo. Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra; aoka ho fantatrareo izany! Koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’Israely! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ny tanàna, ary haorina indray ny efa rava. Hasaina ny tany efa lao fa tsy ho lao eo imason’ny mpandalo rehetra intsony izy. Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda; dia ho fantatry ny Jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho TOMPO no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho TOMPO no niteny sady hanatanteraka izany. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao indray no mbola hataoko: Mbola hanaiky hotadiavin’ny taranak’Israely Aho mba hanaovako izao ho azy: Hohamaroiko toy ny ondry ny olony. Toy ny ondry aman’osy masina izay any Jerosalema amin’ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ny tanànany efa lao, amin’ny olona maro toy ny ondry aman’osy. Dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO, ary ny Fanahy no nitondran’NY TOMPO ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha iray feno taolana aho. Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ireo Izy; ary indreo, marobe ireo tao amin’ny lohasaha, ary indreo, maina dia maina ireo. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, Ianao no mahalala! Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ireto taolana ireto ka lazao aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo dia ho velona; hasiako ozatra ianareo ka hampaniriako nofo; hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary raha mbola naminany aho dia injany nisy feo! Ary indreo nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. Ary hitako fa indro, nisy hozatra sy nofo teo aminy, ary nisarona hoditra izy nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’olona, koa lazao amin’ny fofonaina hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Manatòna avy amin’ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo mba ho velona izy. Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho ka nidiran’ny fofonaina ireo ary velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy: Tafika lehibe dia lehibe tokoa. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’Israely rehetra; indreo izy miteny hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay! Koa maminania ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo ianareo ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO, rehefa manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ny fasanareo! Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no efa niteny sady nanatanteraka izany, hoy NY TOMPO. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ary ianao, ry zanak’olona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: Ho an’ny Joda sy ho an’ny Zanak’Israely namany. Dia makà tapa-kazo iray hafa koa ka asio soratra hoe: Ho an’i Josefa, dia tapa-kazon’i Efraima izany, sy ho an’ny taranak’Israely namany rehetra. Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho tafaray eny an-tananao izy. Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin’izany va ianao? Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’i Josefa izay eny an-tanan’i Efraima, sy ny fokon’ny Israely namany, ary hakambako ho eo amin’ny tapa-kazon’i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako. Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao, eo imasony. Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho no haka ny Zanak’Israely avy any amin’ny Jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka hoentiko any amin’ny taniny. Hataoko firenena tokana any amin’ny tany izy, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony. Tsy handoto tena amin’ny sampiny, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny fahadisoany intsony izy, fa hovonjeko ho afaka amin’ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy ka ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. Ary i Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary hiray mpiandry izy rehetra dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalànako sy hankatò izany. Ary honina any amin’ny tany izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ny zafiny mandrakizay; ary i Davida mpanompoko no ho mpitarika azy mandrakizay. Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hampiorim-ponenana azy sy hahamaro azy Aho sady hampiorina ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Ary ny tabernakeliko dia ho eo aminy; Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy; dia ho fantatry ny Jentilisa fa Izaho TOMPO no manamasina ny Israely, rehefa eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina. Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry zanak’olona, manandrifia an’i Goga avy any amin’ny tany Magoga, izay mpanjakan’i Rosy sy i Meseka ary i Tobala, ary maminania ny hamelezana azy ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’i Rosy sy i Meseka ary i Tobala. Hitaritarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao ary hoentiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly izay samy mitafy marevaka, dia olona marobe mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra; miaraka aminy ny Persiana, i Kosy ary i Pota, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa, i Gomera koa mbamin’ny miaramilany rehetra, ny taranak’i Togarma avy any amin’ny farany avaratra mbamin’ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao. Miomàna ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo mpomba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpiaro azy. Rehefa afaka andro maro dia hantsoina ianao; any aoriana any dia ho tonga any amin’ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ny sabatra ianao, dia ny tanin’ny olona izay novoriana avy tany amin’ny firenena maro, any amin’ny tendrombohitry ny Israely izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ny firenena izy ka mandry fehizay izy rehetra. Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fiavin’ny rivo-doza no hiavianao, ho tahaka ny rahona hanarona ny tany, dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminao. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamorona hevi-dratsy ianao ka hiteny hoe: Hiakatra hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda aho; hankany amin’izay mandry fehizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra, mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin’ny Jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ny foiben’ny tany. I Sheba sy i Dedana ary ny mpivaro-mandehan’i Tarsisy rehetra mbamin’ireo lionany tanora rehetra dia hiteny aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka? Koa maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’i Goga hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’izany andro hitoeran’ny Israely oloko mandry fehizay izany, moa tsy ho fantatrao va izany? Ho tonga avy any amin’ny fonenanao avy any amin’ny farany avaratra ianao mbamin’ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka; ary hiakatra hamely ny Israely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao. Any aoriana any no ho tonga izany. Hoentiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin’ny ataoko aminao, ry Goga! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin’ny fahiny, dia ny mpaminanin’ny Israely, izay naminany ela tamin’izany andro izany ny hampiakarako anao hamely azy? Amin’izany andro izany, dia ny andro hiavian’i Goga hamely ny tanin’ny Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia hiefonefona eo am-bavoroko ny fahatezerako. Fa amin’ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin’izany andro izany dia hisy horohoron-tany mafy any amin’ny tanin’ny Israely ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina, ny voromanidina, ny bibidia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoa ny fiakarana mideza, ary hirodana ny ampiantany rehetra. Dia hiantso sabatra hamely azy eny amin’ny tendrombohitro rehetra Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Hifamely sabatra amin’ny namany avy izy rehetra. Ary hamaly azy amin’ny areti-mandringana, ny ra, ny ranonorana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ny miaramilany mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminy Aho. Dia hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako, ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ny hamelezana an’i Goga ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’i Rosy sy i Meseka ary i Tobala. Hitaritarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin’ny farany avaratra Aho, dia hoentiko ho any amin’ny tendrombohitry ny Israely ianao. Hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao havia, ary halatsako hiala eny an-tananao havanana ny zana-tsipìkanao. Any amin’ny tendrombohitry ny Israely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ny vorona mpihaza samihafa karazana rehetra sy ny bibidia ianao. Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Handefasako afo i Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO. Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin’ny Israely oloko; tsy havelako hamavoina intsony ny anarako masina; dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no TOMPO izay masina ao amin’ny Israely. Indro, tonga izany ary efa tanteraka, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izany no andro izay nolazaiko. Ary hivoaka ny mponina ao amin’ny tanànan’ny Israely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy; fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an’ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Amin’izany andro izany dia homeko tany eo amin’ny Israely i Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan’ny mpandalo eo atsinanan’ny ranomasina, ka hanampin-dalana ny mpandalo izany; any no handevenana an’i Goga sy ny vahoakany marobe rehetra; ary ny anarany dia hatao hoe Lohasahan’ireo vahoaka maroben’i Goga. Fito volana mipaka no handevenan’ny taranak’Israely azy, hanadiovany ny tany. Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy amin’ny andro hampisehoako ny voninahitro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary hisy olona hotendrena hitety tsy mitsahatra ny tany ka handevina izay mbola tavela eny ambonin’ny tany, hanadiovana azy. Hikaroka mandritra ny fito volana izy. Ary rehefa mandeha mitety ny tany ireo mpitety tany ka mahita taolan’olona dia hanangana marika eo anilany izy, mandra-pandevin’ny mpandevina izany ao amin’ny Lohasahan’ireo vahoaka maroben’i Goga. Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany. Ary ianao, ry zanak’olona, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lazao amin’ny voromanidina rehetra sy ny bibidia rehetra hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin’ny manodidina ho amin’ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny amin’ny tendrombohitry ny Israely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo ra. Ny nofon’ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran’ireo mpanjakan’ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy, zanak’ondry, osilahy ary vantotra ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra. Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro ra mandra-paha-leonareo avy amin’ny fanatitro izay novonoiko ho anareo. Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin’ny miaramila rehetra eo amin’ny latabatro ianareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Dia hasehoko any amin’ny Jentilisa ny voninahitro ka hohitan’ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hatsotrako aminy. Ary ho fantatry ny taranak’Israely fa Izaho no TOMPO Andriamaniny hatramin’iny andro iny ka hatramin’ny ho avy rehetra. Ho fantatry ny Jentilisa fa ny heloky ny taranak’Israely no nahababo azy; fa satria nivadika Tamiko izy dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tanan’ny fahavalony, dia lavon-tsabatra izy rehetra. Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ankehitriny dia haveriko ho toy ny teo aloha i Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’Israely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ny anarako masina Aho. Dia hivesatra ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nahadiso azy Tamiko izy rehefa mandry fehizay ao amin’ny taniny ka tsy hisy hampitahotra azy. Rehefa ampodiko avy any amin’ny firenena izy ary angoniko avy any amin’ny tanin’ny fahavalony dia hiseho ho masina eo imason’ny Jentilisa Aho amin’ny ataoko amin’ireny; dia ho fantany fa Izaho TOMPO no Andriamaniny amin’ny ampandehanako azy ho babo any amin’ny firenena sy amin’ny anangonako azy ho any amin’ny taniny ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza. Tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin’ny taranak’Israely ny Fanahiko, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tamin’ny taona fahadimy amby roapolo taorianan’ny namaboana antsika, tamin’ny niandohan’ny taona, tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana, tamin’ny taona fahefatra amby folo taorianan’ny namelezana ny tanàna, tamin’izany andro izany dia tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO ka nitondra ahy ho any Izy. Fahitana avy amin’Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ny tanin’ny Israely ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy zavatra toy ny trano ao amin’ny tanàna teo amin’ny ilany atsimo. Dia noentiny nankao aho ka indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tanany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy. Dia hoy Ralehilahy tamiko: Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao ary mihainoa amin’ny sofinao ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ny taranak’Israely izay rehetra hitanao. Ary indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ny trano, ary teny an-tanan-dRalehilahy dia nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra felatanana iray noho ny fanao. Norefesiny ny hatevin’ny ampiantany ka iray volotara fandrefesana, ary ny haavony dia iray volotara fandrefesana koa. Dia tonga teo amin’ny vavahady manatrika ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ny zanatohatra aminy dia nandrefy ny tokonan’ny vavahady, ka iray volotara fandrefesana ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany ary iray volotara fandrefesana ny sakan’ny tokonana iray koa. Ny efitrefitra fiambenana dia iray volotara fandrefesana ny lavany ary iray volotara fandrefesana koa ny sakany; ny elanelan’ny efitrefitra fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonan’ny vavahady eo anilan’ny lalantsaran’ny vavahady, tao anatiny, dia iray volotara fandrefesana. Norefesiny koa ny lalantsaran’ny vavahady tao anatiny ka iray volotara fandrefesana koa. Ary norefesiny ny lalantsaran’ny vavahady ka valo hakiho; ny andriny dia roa hakiho; ary ny lalantsaran’ny vavahady dia teo anatiny. Ary ny efitrefitra fiambenana teo amin’ny vavahady atsinanana dia telo teo andaniny avy; mitovy refy izy telo, ary mitovy refy koa ny andry teo amin’ny lafiny roa. Norefesiny koa ny sakan’ny vavahady ka folo hakiho; ary ny lavan’ny vavahady dia telo amby folo hakiho. Nisy arofanina teo anoloan’ny efitrefitra fiambenana ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ny efitrefitra fiambenana dia enina hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray. Norefesiny koa ny vavahady hatramin’ny tafon’ny efitrefitra fiambenana iray ka hatramin’ny tafon’ny iray koa, koa dimy amby roapolo hakiho ny sakany ary mifanatrika ny varavarana. Norefesiny koa ny andry, dia enimpolo hakiho, ary nihatra tamin’ny andry ny kianja manodidina ny vavahady. Hatreo anoloan’ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan’ny lalantsaran’ny vavahady anatiny dia dimampolo hakiho. Nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na tao amin’ny efitrefitra fiambenana na tamin’ny andry ao anatin’ny vavahady, manodidina ny vavahady; toy izany koa tamin’ny lalantsara; ary ny tao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; teo amin’ny andry rehetra dia samy nisy sarin’ny hazo palma. Dia noentiny ho any amin’ny kianja ivelany aho, ary indro, nisy efitrano sy lampivato teny amin’ny kianja manodidina; nisy efitrano telopolo teny amin’ny lampivato. Ny lampivato dia teo anilan’ny vavahady sady nifanaraka tamin’ny lavan’ny vavahady: Lampivato ambany io. Norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan’ny vavahady ambany ka hatreo anoloan’ny kianja anatiny, dia hatreo amin’ny ivelany ka zato hakiho, teo atsinanana sy teo avaratra. Norefesiny koa ny lavany sy ny sakan’ny vavahadin’ny kianja ivelany izay nanatrika ny avaratra. Ny efitrefitra fiambenany dia telo no teo an-daniny avy; ary ny andry sy ny lalantsara teo aminy dia nitovy refy tamin’ny vavahady voalohany ka dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. Ny varavarankeliny sy ny lalantsarany ary ny sarin’ny hazo palma taminy dia nitovy refy tamin’ireo amin’ny vavahady atsinanana; nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao; ary ny lalantsara teo aminy dia tandrifin’ireo. Ary nisy vavahadin’ny kianja anatiny, tandrifin’ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; norefesiny hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho. Dia noentiny nianatsimo aho ka indro, nisy vavahady teo atsimo; norefesiny ny andry sy ny lalantsara teo aminy, dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. Ary nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao, ary ny lalantsara dia tandrifin’ireo; ary nisy sarin’ny hazo palma iray tamin’ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ny lafiny iray teo amin’ny andriny. Ary nisy vavahady fidirana amin’ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho koa. Ary noentiny niditra tamin’ny vavahady atsimo ho any amin’ny kianja anatiny aho. Dia norefesiny ny vavahady atsimo ka araka ireo refy ireo ihany koa. Ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara eo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. Nisy lalantsara manodidina azy, dimy amby roapolo hakiho ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. Ny lalantsara teo aminy dia nanatrika ny kianja ivelany; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andry, ary nisy zanatohatra valo ho fiakarana tao. Dia noentiny niantsinanana ho any amin’ny kianja anatiny aho, dia norefesiny ny vavahady ka araka ireo refy ireo ihany koa. Ary ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara teo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. Nanatrika ny kianja ivelany ny lalantsara teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andry teo andaniny roa, ary nisy zanatohatra valo ho fiakarana ao. Ary noentiny ho any amin’ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny ka araka ireo refy ireo ihany koa. Teo amin’izany koa dia nisy ny efitrefitra fiambenana, ny andry, ny lalantsara, ary varavarankely manodidina, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. Nanatrika ny kianja ivelany ny andry teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andriny teo an-daniny roa, ary zanatohatra valo no fiakarana ao. Nisy efitrano misy varavarana teo anilan’ny andry teo am-bavahady ka tao no hanakobanana ny fanatitra dorana manontolo. Teo amin’ny lalantsaran’ny vavahady dia nisy latabatra roa teo an-daniny roa, hamonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana. Teo amin’ny ilany ivelany izay fiakarana hiditra teo amin’ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo amin’ny ilany iray koa, teo amin’ny lalantsaran’ny vavahady dia nisy latabatra roa koa. Nisy latabatra efatra teo amin’ny ilany iray amin’ny vavahady ary latabatra efatra teo amin’ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana fanatitra. Nisy latabatra efatra natao tamin’ny vato voapaika ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, iray hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny haavony; teo no hametrahana ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa. Ary nisy sisiny, felatanana iray ny sakany, manodidina eny amin’ny rindrina; ary eny ambonin’ny latabatra no hasiana ny hena hatao fanatitra. Teo ivelan’ny vavahady anatiny, teo anilan’ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy efitrano maromaro ho an’ny mpihira, teo amin’ny kianja anatiny; nisy iray koa teo anilan’ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra. Ary hoy izy tamiko: Ity efitrano manatrika ny atsimo ity dia ho an’ny mpisorona izay mitandrina ny anjara raharahany amin’ny trano. Ary ny efitrano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ny mpisorona izay mitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny alitara. Ireo dia taranak’i Zadoka izay isan’ny taranak’i Levy ka manatona NY TOMPO hanao fanompoana ho Azy. Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany ary zato hakiho koa ny sakany; efamira izany. Ny alitara dia teo anoloan’ny Trano. Ary noentiny ho any amin’ny lalantsaran’ny Trano aho, dia norefesiny ny andriny amin’ny lalantsara fidirana ka dimy hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary dimy hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray; ny sakan’ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary telo hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray. Roapolo hakiho ny lavan’ny lalantsara fidirana ary iraika amby folo hakiho ny sakany; nisy zanatohatra hiakarana tao; nisy andry teo anilan’ny tolana, iray teo an-daniny, iray teo an-kilany. Ary noentiny ho ao amin’ny tempoly aho. Norefesiny ny andry ka enina hakiho ny sakany tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho ny sakany tamin’ny lafiny iray; sakan’ny tranolay izany. Ny sakan’ny varavarana dia folo hakiho; ny andaniny sy ny ankilany amin’ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany ka efapolo hakiho ary ny sakany dia roapolo hakiho. Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy. Norefesiny ny andry teo amin’ny varavarana: Roa hakiho, ary ny varavarana dia enina hakiho, ary ny sakan’ny varavarana dia fito hakiho. Norefesiny ny lavany: Roapolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho teo anoloan’ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io ny fitoerana masina indrindra. Ary norefesiny ny rindrin’ny Trano ka ny hatevin’ny rindrin’ny Trano dia enina hakiho ary ny sakan’ny paosin-trano dia efatra hakiho. Ireo paosin-trano ireo dia milahatra ho rihana telo izay miverina intelopolo; ary nitsatoka tamin’ny rindrina izay ho an’ny paosin-trano manodidina izy, fa tsy nitsatoka amin’ny rindrin’ny Trano. Ny sakan’ireo paosin-trano ireo dia nihamalalaka isaky ny rihana, fa niampy isaky ny rihana izany ka nihamalalaka araka ny fisandratany; ary ny tombon’ny ambony amin’ny antenantenany dia tahaka ny tombon’ny antenantenany amin’ny ambany. Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny Trano ho fanorenana ny paosin-trano, ary ny fanorenan’ny paosin-trano dia iray volotara fandrefesana, enina hakiho hatramin’ny fifanohizany. Ny hatevin’ny rindrina ivelany amin’ny paosin-trano dia dimy hakiho; ny sisa navela manelanelana ny paosin-trano sy ny efitrano dia roapolo hakiho manodidina ny trano manontolo. Ary ny varavaran’ny paosin-trano dia mankao amin’ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ny sakan’ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina. Ny vatan-trano izay teo anoloan’ilay kianja voafaritra teo amin’ny lafiny andrefana dia fitopolo hakiho ny sakany, ary ny rindrin’ny trano dia dimy hakiho ny hatevin’ny manodidina ary sivifolo hakiho ny lavany. Dia nandrefy ny Trano izy ka zato hakiho ny lavany, ary ilay kianja voatokana sy ny vatan-trano ary ny rindrina dia zato hakiho ny lavany. Ary ny sakan’ny Trano eo anoloany sy ilay kianja voafaritra teo atsinanana dia zato hakiho. Dia norefesiny ny lavan’ny Trano teo anoloan’ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalantsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty, ny lalantsara ao amin’ny kianja, ny tokonana, ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny rihana telo miantoana manodidina izay manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, hatramin’ny tany ka hatramin’ny varavarankely koa, ary nihidy ny varavarankely. Teo ambonin’ny varavarana, na amin’ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin’ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany dia namelàna toerana hasiana sarin’ny kerobima sy ny hazo palma, koa ny sarin’ny hazo palma dia teo anelanelan’ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy ka tarehin’olona no nanatrika ny hazo palma teo an-daniny, ary tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo palma teo an-kilany; ny manodidina ny Trano dia natao tahaka izany avokoa. Hatreo amin’ny tany ka hatrany ambonin’ny varavarana no nasiana sarin’ny kerobima sy ny hazo palma, teo amin’ny rindrin’ny tempoly. Efamira ny tolanam-baravaran’ny tempoly, ary ny manoloana ny fitoerana masina dia nitovy endrika tamin’izany koa. Ny alitara dia hazo ka telo hakiho ny haavony ary roa hakiho ny lavany; nisy zorony koa ka ny lavany sy ny sisiny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’NY TOMPO. Ary ny tempoly sy ny fitoerana masina dia nisy lelam-baravarana roa. Ireo lelam-baravarana ireo dia samy kopa-droa avy, lelam-baravarana roa amin’ny iray, ary lelam-baravarana roa koa amin’ny iray. Nisy sarin’ny kerobima sy ny hazo palma natao teo amin’ny varavaran’ny tempoly, tahaka izay natao teo amin’ny rindrina ihany; nisy tatao hazo teo anoloan’ny lalantsara fidirana, teo ivelany. Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin’ny hazo palma teo an-daniny roa, dia teo anilan’ny lalantsara fidirana sy teo amin’ireo paosin-trano momba ny Trano ary teo amin’ny tatao. Dia noentiny nivoaka nianavaratra ho any amin’ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin’ny efitrano tandrifin’ny kianja voafaritra sady tandrifin’ilay vatan-trano eo amin’ny avaratra. Io vatan-trano io, izay nisy ny varavarana avaratra, dia zato hakiho ny lavany ary dimampolo hakiho ny sakany. Tandrifin’ny roapolo hakiho amin’ny kianja anatiny sady tandrifin’ny lampivato amin’ny kianja ivelany dia nisy lalantsara nifanandrify tamin’ny lalantsara telo miantoana. Teo anoloan’ireo efitrano dia nisy lalana mankao anatiny, folo hakiho ny sakany, ary lalana zato hakiho izany; nanatrika ny avaratra ny varavarany. Ary nohakelezina ny efitrano ambony fa nanalana ny ho lalantsara ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny antenantenany. Natao rihana telo ireo fa tsy nisy andry tahaka ny andrin’ny kianja ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao antenantenany, hatreny amin’ny tany. Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin’ny efitrano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan’ny efitrano ka dimampolo hakiho ny lavany. Fa ny lavan’ireo efitrano izay teo amin’ny kianja ivelany dia dimampolo hakiho; ary indro, ny teo anoloan’ny tempoly dia zato hakiho. Teo ambanin’ireo efitrano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana raha miditra avy eo amin’ny kianja ivelany. Nisy efitrano koa teo amin’ny sakan’ny ampiantany teo amin’ny kianja, teo amin’ny atsinanana, tandrifin’ilay kianja voafaritra sady tandrifin’ny vatan-trano. Nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny endriky ny efitrano teo amin’ny avaratra ny fijery azy sady mitovy amin’ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin’ny fombafombany rehetra sy ny varavarany. Tahaka ny varavaran’ny efitrano eo amin’ny atsimo dia nisy varavarana koa teo amin’ny fiandohan’ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan’ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin’ny atsinanana, raha miditra ao aminy. Dia hoy izy tamiko: Ny efitrano avaratra sy ny efitrano atsimo izay eo anoloan’ny kianja voatokana, dia efitrano masina; any ny mpisorona izay manatona NY TOMPO no mihinana ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra avy amin’ny vokatry ny tany sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana. Masina io toerana io. Rehefa miditra ao ny mpisorona dia tsy hiala amin’ny fitoerana masina ho any amin’ny kianja ivelany izy, fa ao no hametrahany ny fitafiana masina izay noentiny nanao fanompoana satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny vahoaka. Nony voarefiny ny Trano anatiny dia noentiny nivoaka nankany amin’ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ary nandrefy ny manodidina izy. Norefesiny tamin’ny volotara fandrefesana ny lafiny atsinanana ka indimanjaton’ny volotara manodidina, tamin’ny volatara fandrefesana. Norefesiny koa ny lafiny avaratra ka indimanjaton’ny volotara manodidina, tamin’ny volotara fandrefesana. Norefesiny koa ny lafiny atsimo ka indimanjaton’ny volotara, tamin’ny volotara fandrefesana. Nitodika nankany amin’ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indimanjaton’ny volotara, tamin’ny volotara fandrefesana. Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indimanjaton’ny volotara fandrefesana ny lavany ary indimanjatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina. Ary noentiny ho any amin’ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana. Ary indro, tamy ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely avy tany atsinanana. Ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary ny tany dia namirapiratra azon’ny voninahiny. Ny fahitana hitako dia tahaka an’ilay hitako fony Izy tonga handrava ny tanàna; ary ireo fahitana ireo dia tahaka ny fahitana hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany. Niankarapoka tamin’ny tany aho. Ary ny voninahitr’NY TOMPO dia niditra tao amin’ny Trano, tamin’ny vavahady manatrika ny atsinanana. Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin’ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitr’NY TOMPO ny Trano. Dia reko fa nisy niteny tamiko avy tao amin’ny Trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, eto no hitoeran’ny sezafiandrianako sy hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ny Zanak’Israely. Tsy holotoin’ny taranak’Israely, na izy na ny mpanjakany, amin’ny fijangajangany sy amin’ny fatin’ny mpanjakany ao amin’ny fasany intsony ny anarako masina. Napetrany teo anilan’ny tokonam-baravarako ny tokonam-baravaran’ireny, ary nataony teo anilan’ny tolanako ny tolanan’ireny, ka rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny; nolotoiny tamin’ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; izany no nahalany ringana azy tamin’ny fahatezerako. Fa amin’izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny fatin’ny mpanjakany, dia honina eo anivony mandrakizay Aho. Ianao, ry zanak’olona, asehoy amin’ny taranak’Israely ny Trano mba hahamenatra azy ny amin’ny helony ka horefesiny ny mari-trano. Ary raha menatra ny amin’izay rehetra nataony izy dia asehoy azy ny endriky ny Trano mbamin’ny fombafombany, ny fivoahana avy ao aminy, ny fidirana ho ao aminy, ny endriny rehetra ary ny didy rehetra momba azy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra momba azy. Ampahafantaro azy izany sady soraty eo imasony, hitandremany ny endriny rehetra sy ny didy rehetra momba izany ka hanatanterahany izany. Izao no lalàna ny amin’ny Trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ny tendrombohitra. Eny, izany no lalàna ny amin’ny Trano. Izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra felatanana iray noho ny fanao: Ny fanorenany dia iray hakiho ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny sisiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ny alitara. Ary hatreo amin’ny fanorenany eo amin’ny tany ka hatramin’ny foto-drindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatreo amin’ny foto-drindrina kely ka hatramin’ny rindriny lehibe dia efatra hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho. Ny fatan’ny alitara dia efatra hakiho amin’ny tapany ambony, ary misy tandroka eo an-jorony. Roa amby folo hakiho ny lavan’ny fatana ary roa amby folo hakiho koa ny sakany; efamira izany. Ny fanorenany dia efatra amby folo hakiho ny lavany, efatra amby folo hakiho koa ny sakany, amin’ny lafiny efatra; ary ny sisiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ny haavon’ny fanorenana dia iray hakiho manodidina, ary ny zanatohatra aminy dia manatrika ny atsinanana. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’olona, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao no didy ny amin’ny alitara amin’izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana manontolo sy hamafazana ra aminy: Ny levita mpisorona, taranak’i Zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoana ho Ahy, dia homenao vantotra ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tandrony efatra sy amin’ny zorony efatra amin’ny fanorenany ary amin’ny haingony manodidina. Izany no hataonao hanadiovana azy sy hanaovana fanavotana ho azy. Halainao koa ny vantotra ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana eo amin’ny toerana voatokana ao amin’ny Trano, ivelan’ny fitoerana masina. Amin’ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota, koa izany no hanadiovana ny alitara, tahaka ny nanadiovana azy tamin’ny vantotra ombilahy. Rehefa vita ny fanadiovanao azy dia hanatitra vantotra ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao. Haterinao eo anatrehan’NY TOMPO ireo, ary ny mpisorona dia handraraka sira eo aminy ary hanatitra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO. Isanandro, mandritra ny hafitoana, no hanoloranao osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy vantotra ombilahy ary ondrilahy izay tsy misy kilema. Hafitoana no hanaovana fanavotana ho an’ny alitara sy hanadiovana azy ary hanokanana azy. Rehefa tapitra izany andro izany dia hiantomboka amin’ny andro fahavalo ny hanoloran’ny mpisorona ny fanatitra doranareo manontolo eo amin’ny alitara sy ny fanati-pihavananareo, dia hankasitrahako ianareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Dia noentiny niverina tamin’ny lalana nankamin’ny vavahady ivelany amin’ny fitoerana masina aho, dia ilay manatrika ny atsinanana, ka indro, nirindrina io. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’olona; fa efa nidiran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, io, ka izany no hirindrinany. Kanefa kosa ny mpanjaka, amin’ny maha mpanjaka azy, no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’NY TOMPO satria mpanjaka izy; amin’ny lalana mankany amin’ny lalantsaran’ny vavahady no hidirany ary amin’ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany. Dia noentiny nankany amin’ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny Trano koa aho, dia hitako fa indro, feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’NY TOMPO ka niankarapoka tamin’ny tany aho. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona, mandiniha tsara ka mijere amin’ny masonao, ary aoka hohenoin’ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ny didy sy ny lalàna rehetra momba ny tranon’NY TOMPO ary diniho tsara ny fidirana amin’ny Trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ny fitoerana masina. Ary lazao amin’ireo maditra, dia ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’Israely! Ianareo dia nitondra vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin’ny nanoloranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny ra, ka nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ny fahavetavetanareo rehetra. Tsy nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina ianareo fa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara raharaha ao amin’ny fitoerako masina hisolo anareo. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin’ny Zanak’Israely dia tsy misy hahazo miditra ao amin’ny fitoerako masina. Ary na dia ny levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ny nivilian’ny Israely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy. Ho mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerako masina izy, ho mpiandraikitra ny amin’ny fiandrasana ny vavahadin’ny Trano sy ho mpanao fanompoana ao amin’ny Trano hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa izy ary hijoro eo anatrehany hanao fanompoana ho azy. Satria nanao fanompoana teo anatrehan’ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’Israely dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tsy hanakaiky Ahy ho mpisoronako izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran’ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy. Hotendreko ho mpitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny Trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao. Fa ny levita mpisorona, taranak’i Zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina, tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely niala tamiko, dia izy no hanakaiky Ahy hanao fanompoana ho Ahy, ary izy no hijoro eo anatrehako hanatitra ny sabora sy ny ra ho Ahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Eny, izy no hiditra ao amin’ny fitoerako masina sy hanakaiky ny latabatro hanao fanompoana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana. Rehefa miditra ao amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny izy dia hiakanjo rongony fotsy fa tsy hisy volon’ondry eny aminy rehefa manao fanompoana eo amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny sy ao anatiny izy. Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaonina fohy rongony fotsy no hanaovany, ary tsy hitondra fehikibo izay hiteraka hatsembohana izy. Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hankany amin’ny olona izy dia hesoriny ilay fitafiana noentiny nanao fanompoana ka havelany ao amin’ny efitrano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy fa tsy hanamasina ny olona amin’ireny fitafiany ireny. Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa dia tsy hanao lava volo fa hataony tsara hety. Tsy hisotro divay ny mpisorona rehefa miditra any amin’ny kianja anatiny izy. Tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy fa virijiny avy amin’ny taranak’Israely, na izay novinadin’ny mpisorona efa maty, no hovadìny. Hampianatra ny oloko ny tsy itovian’ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsy itovian’ny tsy madio sy ny madio. Raha misy mifanditra dia ireo no hitsangana hitsara ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalànako sy ny didiko dia hotandremany amin’ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy. Tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny na zanany lahy na zanany vavy na rahalahiny na anabaviny tsy manambady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy. Rehefa voadio izy dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha. Ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina, dia any amin’ny kianja anatiny, hanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanolotra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany. Tsy homenareo zaratany eo amin’ny Israely izy, fa Izaho no anjarany. Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay natao ho zavatra voaozona amin’ny Israely dia ho azy koa. Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ny zavatra rehetra sy ny fanomezana rehetra izay alaina amin’ny fanomezanareo dia ho an’ny mpisorona; ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao. Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby, dia samy tsy hohanin’ny mpisorona. Rehefa zarainareo araka ny antsapaka ny tany ho lova dia hisy hatokanareo ho fanomezana ho an’NY TOMPO, dia anjara masina eo amin’ny tany; ny lavany dia dimy arivo sy roa alina ary ny sakany dia iray alina. Ho masina any amin’ny faritaniny rehetra manodidina izany. Io dia hanalana efamira ho an’ny fitoerana masina, dimanjato ny lavany ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimampolo hakiho ny tany malalaka manodidina azy. Eny, ao amin’izany tany voarefy izany, izay dimy arivo sy roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany izany, dia handrefesanao faritra ho an’ny fitoerana masina, dia ny masina indrindra. Ho faritra masina amin’ny tany izany ka ho an’ny mpisorona, mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia izay manakaiky hanao fanompoana ho an’NY TOMPO, ary ho faritra ho an’ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina. Ity faritra ity, izay dimy arivo sy roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany, no ho an’ny levita mpanao fanompoana ao amin’ny Trano; zaratany ho azy izany, misy efitrano roapolo. Homenareo koa ny zaratany ho an’ny tanàna, dimy arivo ny sakany ary dimy arivo sy roa alina ny lavany, mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana; ho an’ny taranak’Israely rehetra izany. Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, hatreo amin’ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny zaratany ho an’ny firenena iray, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana. Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin’ny Israely; ireo mpanjakako dia tsy hampahory ny oloko intsony fa hahafoy ny tany ho an’ny taranak’Israely isam-pokony avy. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Aoka izay, ry mpanjakan’ny Israely! Ajanòny ny halozana sy ny fampahoriana ary manaova fitsarana sy fahamarinana. Atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo. Hitovy habe ny efaha sy ny bata, ary ny bata dia hahalany ny ampahafolon’ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ny homera. Ny homera no handrefesana azy. Ny sekela dia roapolo gera; sekela roapolo miampy sekela dimy amby roapolo ary sekela dimy amby folo ny mane eo aminareo. Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin’ny efaha isaky ny homeran’ny varimbazaha iray; haloanareo koa ny ampahenin’ny efaha isaky ny homeran’ny varimbazaha iray hafa. Ny didy ny amin’ny diloilo, dia ny diloilo iray bata: Ampahafolon’ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo satria bata folo no homera iray. Ary ondry iray amin’ny roanjato amin’ny tanin’ny Israely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana manontolo ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny vahoaka, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an’ny mpanjakan’ny Israely. Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra aidina amin’ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ny taranak’Israely; eny, izy no hiantoka ny fanatitra ho fanadiovana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny taranak’Israely. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia haka vantotra ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masina. Ary hanalan’ny mpisorona ny ran’ny fanatitra ho fanadiovana ka hatentiny amin’ny tolanan’ny Trano sy amin’ny zorony efatra amin’ny lafin’ny alitara ary amin’ny tolanan’ny vavahadin’ny kianja anatiny. Toy izany koa no hataonao amin’ny andro fahafito amin’ny volana ho an’ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, koa izany no hanadiovanareo ny Trano. Amin’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska. Andro firavoravoana hafitoana izany, koa mofo tsy misy masirasira no hohanina. Amin’izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotra ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany sy ny vahoaka rehetra. Amin’ny andro firavoravoana hafitoana dia hanolotra fanatitra dorana manontolo isanandro mandritra ny hafitoana ho an’NY TOMPO izy, dia vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isanandro hataony fanatitra noho ny ota. Ary hanolotra ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa izy, dia iray efaha isam-bantotra ombilahy sy iray efaha isan’ondrilahy, ary diloilo eran’ny hina isan’efaha. Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, amin’ny andro firavoravoana, dia hanolotra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota na ny fanatitra dorana manontolo na ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, na ny diloilo. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana kosa no hivoha izany. Dia hiditra avy any ivelany amin’ny lalana mankany amin’ny lalantsaran’ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ny tolanam-bavahady. Ny mpisorona dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany; hiankohoka eo amin’ny tokonam-bavahady izy dia hivoaka; tsy harindrina ny vavahady raha tsy efa hariva ny andro. Ary ny vahoaka koa dia hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO eo am-bavahady amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana. Ny fanatitra dorana manontolo izay haterin’ny mpanjaka ho an’NY TOMPO amin’ny andro Sabata dia zanak’ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa. Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ireo zanak’ondry dia araka izay tratry ny ananany, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha. Amin’ny voaloham-bolana dia hanolotra vantotra ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak’ondry enina ary ondrilahy iray izy; samy tsy hisy kilema ireo. Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy, dia iray efaha isam-bantotra ombilahy sy iray efaha isaky ny ondrilahy koa; ary ny amin’ny zanak’ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha. Rehefa miditra ny mpanjaka dia amin’ny lalana mankamin’ny lalantsaran’ny vavahady no hidirany, ary amin’ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany. Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny andro firavoravoana dia izay miditra amin’ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra: Tsy hiverina amin’ilay vavahady nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny ihany no hivoahany. Ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ireo, ary rehefa mivoaka ireo dia hiara-mivoaka aminy izy. Amin’ny andro firavoravoana sy ny fotoan-dehibe dia iray efaha no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry isam-bantotra ombilahy, ary iray efaha isaky ny ondrilahy, ary ny amin’ny zanak’ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ny hina isan’efaha. Ary raha ny mpanjaka no manolotra fanatitra dorana manontolo an-tsitrapo, na fanati-pihavanana ho fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO, dia hovohana ny vavahady manatrika ny atsinanana mba hidirany, dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany izy, tahaka izay ataony amin’ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy dia harindrina ny vavahady. Zanak’ondry iray izay iray taona, tsy misy kilema, no hatolotrao isanandro ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO; isa-maraina no hanateranao azy. Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampiny isa-maraina ianao, ampahenin’ny efaha, sy diloilo ampahatelon’ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany. Toy izany no hanoloranao ny zanak’ondry sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha manome zavatra ho an’ny zanany iray ny mpanjaka dia ho lovan’ny zanany izany; eny, ho zaralovany izany. Fa raha manome zavatra avy amin’ny lovany ho an’ny mpanompony iray kosa izy dia ho azy mandra-pahatongan’ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin’ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an’ny zanany ihany. Tsy haka amin’ny lovan’ny vahoaka hampiala azy amin’ny zarataniny izy; fa avy amin’ny fananany ihany no hanomezany lova ho an’ny zanany, mba tsy hielezan’ny oloko hiala amin’ny zarataniny. Dia noentiny hiditra tamin’ny fidirana eo anilan’ny vavahady ho ao amin’ireo efitrano masin’ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra aho; ary indro, nisy toerana malalaka terỳ amin’ny farany andrefana. Dia hoy izy tamiko: Io no toerana fahandroan’ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry mba tsy hitondrany azy mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hanamasina ny olona. Dia noentiny nivoaka ho any amin’ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin’ny kianja; ary indro, ao amin’ny isan-joron’ny kianja dia nisy kianja hafa koa. Teny amin’ny zorony efatra amin’ny kianja dia nisy kianja nofefena, efapolo hakiho avy ny lavany ary telopolo avy ny sakany; mitovy refy ireo kianja an-jorony efatra ireo. Nisy rafi-bato teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fatana teo ambanin’izany rafi-bato manodidina izany. Dia hoy Izy tamiko: Ireto no tranon’ny mpahandro. Ao ireo manao fanompoana ao amin’ny Trano no mahandro ny fanatitra alatsa-dra aterin’ny olona. Dia noentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny Trano aho. Ary indro, nisy rano niboiboika avy ao ambanin’ny tokonan’ny Trano, teo atsinanana; fa manatrika ny atsinanana ny Trano, ary ny rano dia nidina avy teo ambanin’ny lafiny havanan’ny Trano, teo atsimon’ny alitara. Dia noentiny nivoaka tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ny lalana ivelany hankany amin’ny vavahady ivelany, dia teo amin’ny lalana manatrika ny atsinanana. Ary indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ny ilany havanana. Nony nandeha niantsinanana Ralehilahy, ary nisy kofehy fandrefesana teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho izy; nampitainy ny rano aho ka hakitrokely ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy ny rano aho ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy aho, ka hatehezana ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray koa izy ka ony tsy azo nitana fa efa nihalalina ny rano, ka tsy maintsy hilomanosana, eny, ony tsy azo itana. Dia hoy izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron’ny ony izy. Nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron’ny ony, teny an-daniny roa. Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka mankany amin’ny tany atsinanana dia midina any amin’ny tany ngazana ka miditra ao amin’ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy dia sitrana ny rano. Ary ny zavamananaina rehetra mifanaretsaka dia ho velona, na aiza na aiza alehan’ny ony, ary hisy hazandrano sesehena; fa rehefa tonga ao ity rano ity dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ny ony. Ary hisy mpanarato hijoro eny amorony. Hatrany Eny-Gedỳ ka hatrany Eny-Eglaìma no hamelarana harato; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano be dia be any amin’ny Ranomasina Lehibe. Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina fa havela ho sira. Ary eny amoron’ny ony, eny an-daniny roa, no hanirian’ny hazo rehetra fihinam-boa. Tsy halazo ny raviny na ho lany ny voany fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy satria mivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony. Ho fihinana ny voany ary ho fanafody ny raviny. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny fokon’ny Israely roa amby folo; anjaran-droa no ho an’i Josefa. Samy handova avokoa ianareo rehetra satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an’ny razanareo Aho ka ho azonareo ho lova ity tany ity. Ary izao no sisintaniny: Ny lafiny avaratra dia hatramin’ny Ranomasina Lehibe amin’ny lalana mankany Hetlona ka hatramin’ny sisintanin’i Zedada, dia i Hamata, i Berota, i Sibraima, izay eo anelanelan’ny faritanin’i Damaskosy sy ny faritanin’i Hamata, i Hazera afovoany, izay eo an-tsisin’i Haorana. Ny sisintaniny ary dia hatramin’ny ranomasina, dia i Hazara-Enona, ny sisintanin’i Damaskosy, i Tsafona any avaratra, dia ny sisintanin’i Hamata. Izany no lafiny avaratra. Ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’i Haorana, i Damaskosy, i Gileada ary ny tanin’ny Israely dia i Jordana; hatramin’ny sisintany ka hatreo amoron’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana. Ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara ka hatramin’ny ranon’i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo. Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin’ny sisintany ka hatrany akaikin’i Hamata. Izany no lafiny andrefana. Hozarainareo aminareo izany tany izany araka ny fokon’ny Israely. Amin’ny antsapaka no hizaranareo azy ho lova ho anareo sy ny vahiny monina ao aminareo izay miteraka ao aminareo, ka hataonareo ho tahaka ny tena Zanak’Israely izy. Hiara-manao antsapaka aminareo izy ka hiara-mandova amin’ny fokon’ny Israely. Ao amin’izay firenena hitoeran’ny vahiny, dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izao no anaran’ireo foko: Hatramin’ny farany avaratra any amoron-dranomasina, amin’ny lalana mankany Hetlona any akaikin’i Hamata sy Hazara-Enana, ny sisintanin’i Damaskosy eo avaratra, any anilan’i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana: Anjara iray ho an’i Dana. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia anjara iray ho an’i Asera. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia anjara iray ho an’i Naftaly. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Manase. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Efraima. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray koa ho an’i Robena. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Joda. Ary mifanolotra amin’ny sisintanin’i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisy ilay tany hatokanareo, indimy arivo sy roa alin’ny volotara fandrefesana ny sakany, ary ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny anjaran’ny firenena tsirairay, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany. Ny tany izay hatokanareo ho an’NY TOMPO dia dimy arivo sy roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany. Ho an’ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo sy roa alina ny lavany avaratra, iray alina ny sakany andrefana, iray alina ny sakany atsinanana ary dimy arivo sy roa alina ny lavany atsimo, ary ny fitoerana masin’NY TOMPO no ho eo afovoany. Ho an’ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandremana ka tsy nivily tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely, tahaka ny nivilian’ny levita. Eny, ho azy izany, ho tany halaina amin’ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin’ny sisintanin’ny levita. Ny levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin’ny sisintanin’ny mpisorona, dia dimy arivo sy roa alina ny lavany, iray alina ny sakany. Eny, samy dimy arivo sy roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany. Tsy ho azony analana hamidy izany, na atakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin’ny tany, fa masina ho an’NY TOMPO izany. Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin’ny sakany mifanolotra amin’ny dimy arivo sy roa alina, dia tsy masina fa ho an’ny tanàna, ho tany fonenana sy ho tany fiandrasam-biby, ary ny tanàna no ho ao afovoany. Ary izao no refiny: Ny avaratra dia ho dimanjato sy efatra arivo, ny atsimo dia ho dimanjato sy efatra arivo, ny atsinanana dia ho dimanjato sy efatra arivo ary ny andrefana dia ho dimanjato sy efatra arivo. Ny amin’ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna: Ny eo amin’ny avaratra dia ho dimampolo sy roanjato, ny eo amin’ny atsinanana dia ho dimampolo sy roanjato ary ny eo amin’ny andrefana dia ho dimampolo sy roanjato. Ny lavany sisa mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana dia iray alina amin’ny atsinanana, iray alina amin’ny andrefana ary hifanolotra amin’ny anjara masina voatokana izany; ny vokatra avy aminy dia ho sakafon’ny mpiasa ao an-tanàna. Izay mpiasa ao an-tanàna avy amin’ny fokon’ny Israely rehetra no hiasa azy. Ny tany voatokana rehetra dia ho efamira, dimy arivo sy roa alina sy dimy arivo sy roa alina; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zaratany momba ny tanàna. Ho an’ny mpanjaka ny sisa eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy ny zaratany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ny dimy arivo sy roa alina amin’ny anjara voatokana hatramin’ny sisintany atsinanana ary mifanolotra amin’ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ny sisintany andrefana, mifanolotra amin’ny anjaran’ireo foko; ho an’ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny Trano, fitoerana masina, no ho eo afovoany. Hatramin’ny zaratanin’ny levita sy ny zaratany momba ny tanàna izay ao ampovoan’ny an’ny mpanjaka, anelanelan’ny faritanin’i Joda sy Benjamina, dia ho an’ny mpanjaka izany. Ary ny amin’ny firenena sisa, hatramin’ny lafiny atsinanana ka hatramin’ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an’i Benjamina. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Simeona. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’Isakara. Mifanolotra amin’ny sisintanin’Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Zebolona. Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Gada. Mifanolotra amin’ny faritanin’i Gada, amin’ny lafiny atsimo, ny sisintany dia hatrany Tamara sy ny ranon’i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe. Izany no tany hozarainareo amin’ny antsapaka ho lova ho an’ny firenen’ny Israely, ary izany no ho anjarany avy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izao no refin’ny tanàna amin’ny lafiny avaratra: Dimanjato sy efatra arivo. Ny anaran’ny vavahady dia ho toy ny anaran’ny fokon’ny Israely: Ny vavahady telo avaratra dia vavahadin’i Robena ny iray, vavahadin’i Joda ny iray, vavahadin’i Levy ny iray. Amin’ny lafiny atsinanana, dimanjato sy efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin’i Josefa ny iray, vavahadin’i Benjamina ny iray ary vavahadin’i Dana ny iray. Amin’ny lafiny atsimo, mirefy dimanjato sy efatra arivo, ary ny vavahady telo, dia vavahadin’i Simeona ny iray, vavahadin’Isakara ny iray, vavahadin’i Zebolona ny iray. Amin’ny andrefana, dimanjato sy efatra arivo; telo ny vavahadiny, dia vavahadin’i Gada ny iray, vavahadin’i Asera ny iray, vavahadin’i Naftaly ny iray. Valo arivo sy iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia: NY TOMPO NO AO. Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, no nankanesan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy. Ary ny Tompo nanolotra an’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny fanaka sasany tao amin’ny tranon’Andriamanitra ho eo an-tanany. Dia noentiny ho any amin’ny tany Sinara, ho ao amin’ny tranon’ireo andriamaniny ireo; ary ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ny trano fitahirizana an’ireo andriamaniny. Nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Israely avy amin’ny taranaky ny mpanjaka na avy amin’ny fianakavian’andriana, dia zatovo izay tsy nanan-kilema fa tsara tarehy sady mendrika amin’ny fahendrena rehetra no manam-pahalalana ary mazava saina ka sahaza hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka; nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana ireo. Nampanokana hanina ho azy ireo isanandro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony ny mpanjaka mba hamelomana azy ireo mandritra ny telo taona, fa rehefa afaka izany dia hijoro eo anatrehan’ny mpanjaka izy. Tamin’izy ireo dia nisy avy amin’ny taranak’i Joda: I Daniela sy i Hanania ary i Misaela sy i Azaria. Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana ireo ka i Daniela dia nataony hoe Beltesazara, i Hanania kosa dia Sadraka, i Misaela indray dia Mesaka, ary i Azaria dia nataony hoe Abed-Nego. Fa i Daniela dia ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny anjara hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka, na tamin’ny divay izay fisotrony ka nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany. Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindrampo tamin’ilay lehiben’ny tandapa i Daniela. Ary hoy ilay lehiben’ny tandapa tamin’i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ny mpanjaka va ianareo ka hotapahiny ny lohako? Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiambina izay notendren’ny lehiben’ny tandapa ho mpiambina an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria: Miangavy anao aho, zahao toetra mandritra ny hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena legioma hohaninay sy rano hosotroinay. Dia aoka hojerena eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ny hanin’ny mpanjaka, koa araka izay hitanao no ataovy amin’ny mpanomponao. Nanaiky izany tolo-kevitra izany izy ka nanara-maso azy ireo nandritra ny hafoloana. Nony tapitra ny hafoloana dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehin’izy ireo noho ny an’ny zatovo hafa rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka. Dia najanon’ilay mpiambina ny anjara haniny sy ny divay tokony hosotroiny ka legioma no nomeny azy. Nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny soratra sy ny fahendrena rehetra ireo zatovo efa-dahy ireo, ary i Daniela dia nahay namantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra. Nony tonga ny andro nasain’ny mpanjaka hitondrana azy ireo dia noentin’ilay lehiben’ny tandapa niditra teo anatrehan’i Nebokadnezara izy. Niresaka tamin’izy ireo ny mpanjaka ka tamin’izy rehetra dia tsy nisy hitany ho tahaka an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. Dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy dia hitany fa nanan-tombo avo folo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay tao amin’ny fanjakany rehetra aza izy ireo. Ary nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy mpanjaka i Daniela. Tamin’ny taona faharoa nanjakany dia nanonofy i Nebokadnezara ka nitebiteby sady tsy nahita tory. Dia nasain’ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy, ny mpisikidy, ny mpitana ody ary ny Kaldeana mba hilaza amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho ka mitebiteby ta hahalala ny hevitry ny nofiko. Dia niteny tamin’ny mpanjaka amin’ny teny arameana ireny Kaldeana ireny hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao! Ambarao aminay mpanomponao ny nofy dia holazainay ny heviny. Dia namaly ireny Kaldeana ireny ny mpanjaka hoe: Efa niloa-bava aho, fa raha tsy ampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny dia hotetitetehina ianareo ary ny tranonareo dia hatao trano fivoahana. Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be. Koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ny heviny. Dia namaly indray ireo hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony dia hambaranay ny heviny. Fa namaly ny mpanjaka hoe: Fantatro marina tokoa fa mandany andro foana ianareo satria hitanareo fa efa niloa-bava aho. Raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy dia didim-pitsarana iray ihany no miandry anareo; fa ianareo dia miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-piovan’ny toe-javatra. Koa ambarao ahy ny nofy dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko tokoa ianareo. Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka ny Kaldeana hoe: Tsy misy olona mahay milaza izany nofin’ny mpanjaka izany etỳ ambonin’ny tany; fa tsy mbola nisy mpanjaka nila zavatra toy izany tamin’ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana, na dia izay lehibe sy mahery indrindra aza. Sarotra ny zavatra anontanian’ny mpanjaka ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra izay tsy manam-ponenana miaraka amin’ny olona. Dia vinitra sady tezitra dia tezitra ny mpanjaka noho izany ka nasainy naringana ny olon-kendrin’i Babilona rehetra. Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; i Daniela sy ny namany koa dia mba notadiaviny hovonoina. Dia novalin’i Daniela tamim-pahamendrehana sy feno fahendrena i Arioka, lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka izay efa nivoaka hamono ny olon-kendrin’i Babilona. Eny, hoy izy tamin’i Arioka, lehibe voatendrin’ny mpanjaka: Nahoana no dia mafy toy izany ny didy avy amin’ny mpanjaka? Dia nambaran’i Arioka tamin’i Daniela ny zava-nitranga. Dia niditra i Daniela ka nangataka tamin’ny mpanjaka mba hanome andro azy, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. Ary nody tany an-tranony i Daniela ka nanambara ilay zavatra tamin’i Hanania sy i Misaela ary i Azaria namany mba hangatahan’ireo famindrampo amin’Andriamanitry ny lanitra ny amin’izany zavamiafina izany ka tsy haringana i Daniela sy ny namany mbamin’ny olon-kendrin’i Babilona rehetra. Dia naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana tamin’ny alina ilay zavamiafina ka nisaotra an’Andriamanitry ny lanitra i Daniela. Hoy i Daniela: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay! Azy ny fahendrena sy ny hery. Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana. Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ny hendry sy fahalalana ho an’izay marani-tsaina. Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ny maizina, ary ny mazava dia mitoetra ao Aminy. Ianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny dia nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; satria nampahafantarinao anay ilay nofin’ny mpanjaka. Ary noho izany i Daniela dia niditra nankao amin’i Arioka izay notendren’ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’i Babilona; eny, nandeha izy ka nilaza taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin’i Babilona; fa ento ho eo anatrehan’ny mpanjaka aho dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny. Dia noentin’i Arioka haingana ho eo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, sady hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela izay antsoina koa hoe Beltesazara: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ny heviny va ianao? Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela hoe: Ilay zavamiafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy hain’ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro nolazaina tamin’ny mpanjaka; kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, izay mampiseho zavamiafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga amin’ny ho avy. Ny nofinao sy ny fahitana hitanao teo amin’ny farafaranao dia izao: Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha natory ianao, dia tonga tao an-tsainao ny amin’izay ho avy rahatrizay; ary Ilay mampiseho zavamiafina dia mampahafantatra anao izay ho avy. Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zavamiafina, fa ny mba hampahafantarana anao mpanjaka ilay hevitra ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao. Nahita ianao, ry mpanjaka ô, fa indro nisy sariolona lehibe iray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara. Nijoro teo anatrehanao izy ary ny fijery azy dia nampahatahotra. Ny lohan’izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy ary ny tongony dia vy sy tanimanga. Raha nijery azy ianao dia nisy vato voaendaka nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga izany ka nahatorotoro azy. Dia niara-torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy ka tsy nisy tany hitoerany; ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra. Izany no nofy ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny. Ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka ianao fa nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery, fahaleovana sy voninahitra. Ny zanak’olombelona sy ny bibidia ary ny voromanidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’izy rehetra ianao; koa ianao izany loha volamena izany. Manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana, ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra. Ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no hamakivakiany sy hanorotoroany azy. Hitanao ny tongony sy ny rantsantongony, fa ny tapany dia tanimangan’ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy, dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. Ary toy ny rantsantongony, ny tapany dia vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany dia ho mafy, ary ny tapany dia ho malemy. Toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia toy izany no hiharoany amin’ny taranak’olombelona: Nefa tsy hitambatra izy, toy ny tsy fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga. Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay; tsy havela ho an’olon-kafa io fanjakana io, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, nefa izy kosa dia hitoetra mandrakizay. Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahina tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay. Marina ny nofy, ary azo antoka ny fanazavana azy. Dia niankohoka teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara mpanjaka ary nampanolotra fanatitra sy hanitra mani-pofona ho azy. Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpampiseho zavamiafina ka nahay nampiseho izany zavamiafina izany ianao. Ary tamin’izay ny mpanjaka dia nanandratra an’i Daniela ho lehibe ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka ny faritanin’i Babilona manontolo sy ho lehiben’ny mpanapaka ny olon-kendrin’i Babilona rehetra. Dia nangataka tamin’ny mpanjaka i Daniela mba hanendreny an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ho tonian’ny raharahan’ny faritanin’i Babilona. Ary i Daniela kosa dia teo am-bavahadin’ny mpanjaka. Nanao sariolona volamena i Nebokadnezara mpanjaka, enimpolo hakiho ny haavony, ary enina hakiho ny sakany. Natsangany teo amin’ny tany lemaka Dora tamin’ny faritanin’i Babilona ilay izy. Ary i Nebokadnezara mpanjaka nandefa iraka hamory ny solo-mpanjaka, ny mpanapaka, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry ny volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara ary ny lehiben’ny fari-piadidiana rehetra mba hitokana ilay sariolona natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka. Dia nivory hitokana ny sariolona izay natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka ny solo-mpanjaka, ny mpanapaka, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry ny volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara ary ny lehiben’ny fari-piadidiana rehetra ka nitsangana tandrifin’ny sariolona izay natsangan’i Nebokadnezara ireo. Dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy ny samihafa fiteny: Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara, ny sodina, ny lokanga, ny harpa, ny valiha, ny anjombona ary ny zavamaneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny sariolona volamena izay natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka. Ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy avy hatrany ao anatin’ny lafaoro mirehitra afo. Koa tamin’ny fotoana nandrenesan’ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ny anjomara, ny sodina, ny lokanga, ny harpa, ny valiha ary ny zavamaneno isan-karazany dia niankohoka sy nivavaka tamin’ilay sariolona volamena izay natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra. Tamin’izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy. Niteny tamin’i Nebokadnezara mpanjaka izy ireo hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao! Ry mpanjaka ô, ianao dia efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon’ny anjomara, ny sodina, ny lokanga, ny harpa, ny valiha, ny anjombona ary ny zavamaneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin’ny sariolona volamena; fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro mirehitra afo. Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian’ny raharaha momba an’i Babilona sy ny faritaniny, dia i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego. Ireo lehilahy ireo dia tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô! Tsy mba manompo ny andriamanitrao izy na mivavaka amin’ny sariolona volamena izay natsanganao. Dia niteny tamin’ny havinirana sy ny hatezerana i Nebokadnezara, koa nasainy nalaina i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego. Noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka ary ireo lehilahy ireo ka niteny tamin’izy ireo i Nebokadnezara hoe: Moa fanahy ninianareo ve, ry Sadraka sy Mesaka ary Abed-Nego ny tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, sy tsy ivavahanareo amin’ny sariolona volamena izay natsangako? Ankehitriny, vonona va ianareo hiankohoka sy hivavaka amin’ny sariolona izay nataoko rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara, ny harpa, ny valiha, ny anjombona, ny sodina, ny lokanga ary ny zavamaneno isan-karazany? Fa raha tsy mety mivavaka mantsy ianareo dia hatsipy avy hatrany ho ao anatin’ny lafaoro mirehitra afo; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany? Dia namaly ny mpanjaka i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany. Indro Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro mirehitra afo sady hamonjy anay amin’ny tananao, ry mpanjaka ô. Ary na tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena natsanganao dia tsy hivavahanay. Dia feno hatezerana i Nebokadnezara ka niova tamin’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ny endriny, ary nasainy nohafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. Izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany koa no nasainy namatotra an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ka nanipy azy ireo tao anatin’ny lafaoro mirehitra afo. Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny akanjobeny ivelany mbamin’ny fitafiany hafa koa, ary natsipy tao anatin’ny lafaoro mirehitra afo izy ireo. Noho ny teny hentitra nataon’ny mpanjaka dia natao faran’izay mahamay ny lafaoro ka matin’ny lelafo ireo lehilahy izay nanipy an’i Sadraka sy i Mesaka sy i Abed-Nego. Ary izy telo lahy ireo dia i Sadraka, i Mesaka ary i Abed-Nego kosa dia voatsipy am-patorana tao anatin’ny lafaoro mirehitra afo. Dia talanjona i Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangana haingana ary niteny tamin’ny mpanolotsainany hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny afo? Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô! Ary hoy izy: Koa nahoana aho no mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninon-tsy maninona akory izy ireo! Ary ny fijery ilay fahefatra aza dia toy ny zanak’ireo andriamanitra. Dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro nisy afo mirehitra i Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka ary Abed-Nego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra! Mivoaha tao ianareo ka avia atỳ! Dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego. Dia nifanatona ny solo-mpanjaka, ny mpanapaka, ny governora ary ny mpanolotsainan’ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo; hitany fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, tsy nisy singam-bolo nikainkona tamin’ny lohany, tsy nihetsika ny lobany, ary tsy nisy fofon’afo akory taminy. Hoy i Nebokadnezara: Isaorana anie ny Andriamanitr’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego, izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’izay andriamanitra hafa, afa-tsy ny Andriamaniny ihany. Koa mamoaka izao lalàna izao aho: Ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety momba ny Andriamanitr’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamanitra hafa mahavonjy tahaka izao. I Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego kosa dia nomen’ny mpanjaka toerana ambony tao amin’ny faritanin’i Babilona. Nampitondra teny ho any amin’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra izay monina amin’ny tany manontolo i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Hitombo anie ny fiadananareo! Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon’Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. Akory ny halehiben’ny famantarana sy ny herin’ny fahagagana ataony! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara aman-dimby. Izaho Nebokadnezara dia niadana tao an-tranoko ary finaritra tao an-dapako. Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandrianako, satria ny fahitan’ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy. Dia nandidy aho mba hoentina eo anatrehako ny olon-kendrin’i Babilona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy. Dia niditra ny ombiasy, ny mpisikidy, ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny. Nony farany anefa dia niditra teo anatrehako kosa i Daniela, izay antsoina hoe Beltesazara, araka ny anaran’ny andriamanitro; sady misy fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe: Ry Beltesazara, lehiben’ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zavamiafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin’ny nofy mbamin’ny heviny. Fa izao no fahitana tao an-dohako raha teo am-pandriana aho: Nijery aho ka indro, nisy hazo teo afovoan’ny tany, ary avo dia avo ilay izy. Nihalehibe sy niha nahery io hazo io; nipaka tamin’ny lanitra ny haavony ary ny fijery azy dia hatrany amin’ny faran’ny tany rehetra. Tsara tarehy ny raviny ary betsaka ny voany sady teo aminy dia nisy hanina ho an’ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan’ny bibidia; teny amin’ny sampany no nitoeran’ny voromanidina ary nahazo hanina avy aminy ny nofo rehetra. Tamin’ny fahitana tao an-dohako raha teo am-pandriana aho no nahitako fa indro, nisy mpiambina masina iray nidina avy tany an-danitra. Niantso mafy izy hoe: Kapao io hazo io dia rantsano; ahintsano ny raviny ary aelezo ny voany; aoka ny biby handositra avy eo ambaniny, ary ny vorona hiala avy eny amin’ny rantsany. Nefa avelao amin’ny tany ao aminy ihany ny fotony ka asio fehy vy sy varahina ao amin’ny ahitra any an-tsaha. Aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny ahitra amin’ny tany no ho anjarany, toy ny an’ny biby. Hovana tsy ho fon’olombelona ny fony; fom-biby no ho ao aminy; fetrandro fito no holanina aminy. Didin’ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin’ny tendrin’ireo masina izany zavatra izany mba hahafantaran’ny velona fa ny Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany, ary olona ambany toetra no mety hampifeheziny azy. Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, lazao ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin’ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr’izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatinao. Nandritra ny fotoana fohy dia nitolagaga i Daniela, izay antsoina hoe Beltesazara, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny. Ary niteny indray ny mpanjaka hoe: Ry Beltesazara ô! Aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Hoy ny navalin’i Beltesazara: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’izay fahavalonao. Io hazo hitanao io dia ilay nihalehibe sy nihanahery, koa ny haavony dia nipaka tamin’ny lanitra ary ny fijery azy hatramin’ny tany rehetra; ny raviny dia tsara tarehy sady betsaka ny voany, ary teo aminy dia nisy hanina ho an’ny rehetra; teny ambaniny no nitoeran’ny bibidia ary teny amin’ny rantsany no nitoeran’ny voromanidina. Ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô! Ianao dia nihalehibe sy niha nahery; fa ny fahalehibiazanao dia efa nitombo ka mipaka amin’ny lanitra, ary ny fanapahanao dia hatramin’ny faran’ny tany. Hitan’ny mpanjaka ny mpiambina masina iray nidina avy tany an-danitra nilaza hoe: Kapao io hazo io ary simbao; nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ny bibidia, ambara-pahalanin’ny fetrandro fito aminy. Izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin’ny Avo Indrindra, izay mihatra amin’ny mpanjaka tompoko: Horoahina hiala amin’ny olona ianao ary ho any amin’ny bibidia no fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao sady ho kotsan’ny andon’ny lanitra, ary fetrandro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany. Ny hevitry ny namelàna ny fotony dia satria mbola ho voatahiry ho anao ihany ny fanjakanao rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka. Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, koa ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ihany ny fiadananao. Ireo rehetra ireo dia nanjo an’i Nebokadnezara mpanjaka. Nony afaka roa amby folo volana dia nitsangantsangana teo an-tampon’ny tranony tao Babilona izy. Ary niteny ny mpanjaka hoe: Tsy ity va no Babilona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako? Raha mbola teo am-bavan’ny mpanjaka ihany ny teny dia nisy feo tonga avy tany an-danitra hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka! Ianao indrindra no ilazana hoe: Niala taminao ny fanjakana. Horoahina hiala amin’ny olona ianao ka ho any amin’ny bibidia no fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary fetrandro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany. Tamin’izay indrindra no nahatanterahan’izany tamin’i Nebokadnezara, fa noroahina niala tamin’ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ny andon’ny lanitra ambara-panirin’ny volony ho toy ny an’ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ny vorona. Rehefa tapitra ny fe-potoana, izaho Nebokadnezara dia nampiandrandra ny masoko tamin’ny lanitra ka nody tamiko indray ny saiko ary nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Ilay velona mandrakizay. Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany dia hahatratra ny taranaka fara aman-dimby, ary ny mponina rehetra etỳ an-tany dia hatao tsinontsinona. Manao izay sitrapony amin’ireo tafika any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany Izy. Ary tsy misy mahasakana Azy na miteny Aminy hoe: Inona ity ataonao? Tamin’izay dia nody tamiko ny saiko ary nody tamiko koa ny lazako sy ny fahalehibiazako ho voninahitry ny fanjakako. Ny mpanolotsaina sy ny olo-manankaja eto amiko dia nitady ahy, koa nampitoerina teo amin’ny fanjakako aho, ary vao mainka niampy ny fahalehibiazako. Koa amin’izany, izaho Nebokadnezara dia midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra ary araka ny rariny ny lalany, ary izay mandeha amin’ny fiavonavonana dia hainy aetry. Nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolotsainany arivo lahy i Belsazara mpanjaka, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay. Nony efa nisotro divay i Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny mpanolotsainany, ny vadiny mbamin’ny vady tsindranony. Dia noentiny ny fanaka volamena, ilay nalaina avy teo amin’ny tempolin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolotsainany, ny vadiny mbamin’ny vady tsindranony dia nisotro taminy. Eny, nisotro divay izy ireo sady nankalaza ny andriamanitra volamena, volafotsy, varahina, vy, hazo ary vato. Tamin’izay dia nisy rantsantanan’olona niseho ka nanoratra tandrifin’ny jiro tamin’ny lalotra sokay teo amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka; ary nahita ilay rantsantanana nanoratra ny mpanjaka. Dia nihahatsatra ny tarehin’ny mpanjaka ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny ka nivahavaha ny taolan’andilany sady nipararetra ny lohaliny. Dia niantso mafy ny mpanjaka mba hampidirana ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary niteny tamin’ny olon-kendrin’i Babilona ny mpanjaka hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy sy hasiana rojo volamena ny vozony ary ho isan’ireo mpanapaka telo lahy amin’ny fanjakana izy. Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ny mpanjaka nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny. Dia natahotra indrindra i Belsazara mpanjaka ka nihahatsatra ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolotsainany. Ary ny renin’ny mpanjaka dia niditra tao amin’ny trano fanasana noho ny tenin’ny mpanjaka sy ny mpanolotsainany. Dia niteny ny renin’ny mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao! Aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na ho hatsatra ny tarehinao. Misy lehilahy ato amin’ny fanjakanao izay manana fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatiny. Fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy, tahaka ny fahendren’ireo andriamanitra. Koa nataon’i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy aho, ho lehiben’ny ombiasy, ny mpisikidy, ny Kaldeana ary ny mpanandro izy. Fa fanahy hafakely sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambaràna teny sarotra sy famaliana fanontaniana sarotra no hita tao amin’izany Daniela izany, izay nomen’ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara. Koa aoka hantsoina i Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny. Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela. Ary niteny tamin’i Daniela ny mpanjaka hoe: Ianao va no Daniela, ilay isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda, izay noentin’ny mpanjaka raiko avy tany Joda? Efa reko ny aminao, fa manana fanahin’ireo andriamanitra ianao sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena hafakely hita ao aminao. Teo vao teo dia nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io ary mba hampahafantatra ahy ny heviny, nefa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy ireny. Reko fa mahalaza hevitra sy mahay mamaly fanontaniana sarotra ianao. Koa raha mahavaky io soratra io sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao dia hampiakanjoina volomparasy sy hasiana rojo volamena ny vozonao ary ho isan’ireo mpanapaka telo lahy amin’ny fanjakana ianao. Dia hoy i Daniela hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao dia omeo ny hafa. Kanefa hovakiko amin’ny mpanjaka ihany ny soratra ary hampahafantariko azy koa ny heviny. Ny aminao, ry mpanjaka ô! Andriamanitra Avo Indrindra no efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’i Nebokadnezara rainao. Ary noho ny fahalehibiazana nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny. Fa nony niavonavona kosa ny fony ary nikikitra tamin’ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin’ny sezafiandrianan’ny fanjakany izy ary nesorina taminy ny voninahiny. Dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy, ny fony dia natao tahaka ny an’ny biby, ary tany amin’ny borikidia no fonenany; nampihinanina ahitra toy ny omby izy ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany. Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany. Niavonavona tamin’ny Tompon’ny lanitra ianao; noentina teto anatrehanao ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ka nisotro divay taminy ianao sy ny mpanolotsainanao, ny vadinao mbamin’ny vady tsindranonao; ary ianao dia nankalaza ny andriamanitra volafotsy, volamena, varahina, vy, hazo ary vato, izay tsy mahita na mandre na mahalala. Fa Andriamanitra izay mitana ny fofonainao sady Tompon’ny alehanao rehetra kosa tsy mba nankalazainao. Noho izany dia Izy no niavian’ilay rantsantanana nanoratra ireo teny ireo. Ary ny teny voasoratra dia izao: MENE, MENE, TEKELA, PARESINA. Izao no hevitry ny teny MENE: Voaisa: Voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao; TEKELA: Voalanja: Voalanja tamin’ny mizana ianao ka indro latsa-danja; PARESA: Voazara: Zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana. Dia nanome baiko i Belsazara mba hampiakanjoina volomparasy i Daniela sady hasiana rojo volamena ny vozony, ary hambara fa isan’ny mpanapaka telo lahy amin’ny fanjakana izy. Tamin’io alina io ihany dia nisy namono i Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana. I Dariosy mediana no nandray ny fanjakana ka efa roa amby enimpolo taona izy tamin’izay. Sitrak’i Dariosy ny hanendry solo-mpanjaka roapolo amby zato hitondra ny fanjakana rehetra. Koa tamin’ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy; i Daniela ny iray tamin’ireo, mba hitateran’ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hisy fahabangana ho an’ny mpanjaka. Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, satria nanana fanahy hafakely izy; ary nikasa hanandratra azy ho lehiben’ny fanjakana manontolo ny mpanjaka. Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an’i Daniela ny amin’ny raharaham-panjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory izy ireo, satria marina izy ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy. Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalànan’ny Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy. Dia somaritaka nivory ho any amin’ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nolazainy taminy: Ry Dariosy mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao! Ny komandy lehibe rehetra amin’ny fanjakana, ny manampahefana, ny solo-mpanjaka, ny mpanolotsaina ary ny governora, dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, koa na zovy na zovy no hanao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona ato anatin’ny telopolo andro, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona. Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalànan’ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana. Noho izany dia nasian’i Dariosy mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany. Nony fantatr’i Daniela fa voaisy sonia ny didy dia nankao an-tranony izy; ary nivoha ny varavarankelin’ny tranony ambony rihana nanandrify an’i Jerosalema. Intelo isanandro no nandohalehany ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny, satria efa fanaony hatramin’ny taloha izany. Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo rehefa nahita an’i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’Andriamaniny. Ary nanatona izy ka noho ny amin’ilay lalànan’ny mpanjaka dia niteny teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia va, fa na zovy na zovy no hanao fivavahana, na amin’Andriamanitra na amin’olona, ato anatin’ny telopolo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Namaly ny mpanjaka hoe: Marina izany, araka ny lalànan’ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana. Dia niteny teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo hoe: I Daniela, ilay isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda dia tsy mba manaiky anao na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fivavahana intelo isanandro izy. Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nahare izany teny izany; nefa satriny ihany ny hanafaka an’i Daniela ka nanao izay tratry ny sainy hamonjena azy izy mandra-pilentiky ny masoandro. Dia somaritaka nivory ho any amin’ny mpanjaka indray ireo lehilahy ireo ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalànan’ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay navoakan’ny mpanjaka dia tsy azo ovana. Dia namoaka didy ny mpanjaka ary noentina i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Ary niteny tamin’i Daniela ny mpanjaka hoe: Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. Nisy vato natampina ny vava lavaka; ary ny mpanjaka no nanidy izany tamin’ny fitombo-kaseny sy tamin’ny fitombo-kasen’ny olo-manankaja teo aminy, mba tsy hanovana ny teny ny amin’i Daniela. Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka; tsy nihinan-kanina izy nandritra ny alina sady tsy nisy zazavavy mpandihy nampidirina teo anatrehany; eny, tsy nahita tory izy. Dia nifoha vao maraina ny mpanjaka ka nandeha haingana ho any amin’ny lavaky ny liona. Nony tonga teo amin’ny lavaka izy dia niantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo; eny, niteny tamin’i Daniela ny mpanjaka hoe: Ry Daniela, mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva nahavonjy anao tamin’ny liona va? Dia namaly ny mpanjaka i Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao! Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, dia tsy nanao ratsy aho. Dia faly indrindra ny mpanjaka ka nasainy nakarina avy tao an-davaka i Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka i Daniela, ary hita fa tsy naninon-tsy naninona izy, satria nino an’Andriamaniny. Ary namoaka didy ny mpanjaka ka noentina ireo lehilahy niampanga an’i Daniela ireo dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany; nandrombaka azy ireo ny liona ka nanapatapaka ny taolany raha tsy mbola nipaka tamin’ny fanambanin’ny lavaka akory aza izy ireo. Taorianan’izany dia nanoratra ho amin’ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samihafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ny tany rehetra i Dariosy mpanjaka hoe: Hitombo anie ny fiadananareo! Manao lalàna aho mba hangovitan’ny olona manerana ny fanjakako rehetra sy hatahorany eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniela. Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany dia tsy ho rava na oviana na oviana ary ny fahefany dia haharitra hatramin’ny farany. Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’i Daniela ho afaka tamin’ny herin’ny liona. Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ny nanjakan’i Dariosy sy tamin’ny nanjakan’i Kirosy persiana. Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babilona dia nanonofy i Daniela sady nahita fahitana tao am-pandrianany. Nosoratany ny nofy ka nambarany ny fotopototr’izany. Hoy i Daniela: Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, fa indreo ny rivotra efatry ny lanitra nampihetsika ny Ranomasina Lehibe. Ary nisy biby efatra lehibe samihafa niakatra avy tamin’ny ranomasina. Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery. Raha mbola nijery azy aho dia voahongotra ny elany ary natsangana avy tamin’ny tany izy ka najoro tamin’ny tongony roa toy ny fijoron’ny olona sady natao manana fon’olombelona. Indro ny faharoa koa dia biby hafa, tahaka ny bera nefa nisandratra tamin’ny ila tenany sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan’ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, mihinàna nofo betsaka. Nony afaka izany dia nahita aho fa indro, nisy hafa koa, toy ny leoparda nefa nanana ela-borona efatra teo an-damosiny; nanana loha efatra io biby io ary nomena fanjakana izy. Nony afaka izany dia nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina aho, dia biby fahefatra mahatsiravina sady matanjaka sy tena mahery; nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nihotahota izy ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo. Nodinihiko ny tandroka ka indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary nongotana teo anoloan’io ny tandroka telo tamin’ireo taloha; ary indro, nanana maso toy ny mason’olona sy vava miteny zavatra feno avonavona izy. Raha mbola nijery aho dia nisy sezafiandrianana maro napetraka, ary nisy Lahiantitra iray nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny orampanala ary ny volon-dohany dia toy ny volon’ondry madio. Ny sezafiandrianany dia lelafo ary ny kodiarany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nijoro teo anatrehany. Nanomboka ny fitsarana ary novelarina ny boky. Mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny feno avonavona notenenin’ilay tandroka; raha mbola nijery aho dia novonoina ilay biby ka nolevonina ny tenany ary natao tao amin’ny afo mirehitra. Ny amin’ireo biby hafa dia nesorina taminy ny fahefany, nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana. Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho fa indro, nisy toy ny zanak’Olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’Ilay Lahiantitra Izy, dia nampanatonina Azy. Nomena fahefana sy voninahitra ary fanjakana Izy mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy. Ny fahefany dia fahefana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany dia tsy ho rava. Izaho Daniela dia nangitakitaka tato anatiko, ary naharaiki-tahotra ahy ny fahitana hitako. Dia nanakaiky ny iray tamin’izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’izany rehetra izany. Nambarany tamiko ary ka nampahafantariny ahy ny hevitr’izany. Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany. Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay doria. Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nihotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; ary ny amin’ny tandroka folo teo an-dohany sy ny iray koa izay nipoitra ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra feno avonavona, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany. Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany dia niady tamin’ny olo-masina ka naharesy azy ambara-piavin’Ilay Lahiantitra izay nanome rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra ka tonga koa ny fotoana nandraisan’ny olo-masina ny fanjakana. Izao no nolazainy: Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra, sady handrava ny tany rehetra no hanosihosy sy hanorotoro azy. Ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo. Hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sady hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra ary hitady hanova ny fotoana sy ny lalàna. Hatolotra eny an-tanany ireo, ambara-pahatapitry ny fetrandro iray sy ny fetrandro roa ary ny antsasaky ny fetrandro. Dia hanomboka ny fitsarana ary hesorina ny fahefany ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy. Ary ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny manamboninahitra rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. Mifarana eo ny fitantarana izany zavatra izany. Fa izaho Daniela kosa dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro ka nihahatsatra ny tarehiko ary notahiriziko tao am-poko ireo zavatra ireo. Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorianan’ilay niseho tamiko tamin’ny voalohany. Nahita tamin’ny fahitana aho, koa raha mbola nijery aho, dia indro, tao Sosana, tanàna mimanda izay ao amin’ny fari-piadidiana Elama no nisy ahy; hitako tamin’ity fahitana ity fa teo amoron’ny ony Olay aho. Natopiko ny masoko ka hitako fa indro nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ny ony ary nanana tandroka roa izy; lava ireo tandroka ireo, ary ny iray dia lava noho ny iray, nefa ilay lavalava kokoa no nipoitra taoriana. Hitako ilay ondrilahy nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany sady tsy nisy naharombaka izay tonga teny an-tanany, fa nanao izay sitrapony izy ka nihalehibe. Raha mbola nandinika aho dia indro nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony. Nankeo amin’ilay ondrilahy nanana tandroka roa izy, dia ilay efa hitako nitsangana teo amoron’ny ony, ka niala vonkina teo aminy tamin’ny heriny rehetra. Eny, hitako nanatona ho eo anilan’ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa; vokany: Tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tanany. Dia nihanahery tokoa ilay osilahy; nefa nony nahery izy dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy tandroka efatra lehibe hafa nipoitra nisolo iny, nifanandrify tamin’ny rivotra efatry ny lanitra. Nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireny ka nihalehibe dia lehibe nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ny tany mahafinaritra. Nihalehibe izy ka tonga hatreo amin’ireo tafika eny amin’ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ny tany ny tafika sy ny kintana ka nohitsakitsahiny. Eny, nihalehibe izy ka niady tamin’ny komandin’ny tafika; nesorina taminy ny fanatitra isanandro ary noravana ny fitoerana masina. Noho ny fahotana dia natolotra azy ny tafika mbamin’ny fanatitra isanandro ary nazeran’ny tandroka ho amin’ny tany ny fahamarinana. Ary nahomby tamin’izay nataony izy. Nandre ny masina iray niteny aho, ary hoy ny masina iray koa tamin’ilay niteny: Mandra-pahoviana no haharetan’ny fahitana ny amin’ny fanatitra isanandro sy ny fahotana mahatonga fandravana ary ny fitoerana masina sy ny tafika voatolotra sady voahitsakitsaka? Dia hoy izy tamiko: Afaka telonjato sy roa arivo hariva sy maraina, ary aorianan’izany vao hodiovina ny fitoerana masina. Nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia indro, nisy toy ny lehilahy matanjaka nitsangana teo anatrehako. Ary nandre feon’olona tao afovoan’i Olay aho, izay niantso hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity. Dia nankeo amin’ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy dia raiki-tahotra aho ka niankarapoka tamin’ny tany. Nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany. Ary raha niresaka tamiko izy dia renoky ny torimaso teo amin’ny tany aho; fa nanohina ahy izy ka nampitsangana ahy teo amin’izay nisy ahy. Dia hoy izy: Indro hampahafantariko anao izay ho tonga amin’ny fiafaran’ny fahatezerana; fa hisy farany efa voafaritra. Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy i Persia. Ny osilahy lava volo kosa dia ny mpanjakan’i Gresy; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ny amin’ilay tapaka kosa ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, ary hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny Jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy. Ary ny hiafaran’ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masiaka tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina. Ho be ny heriny, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany; mahagaga ny fanimbana hataony; hahomby amin’izay hataony izy ary handringana ny mahery sy ny olo-masina. Ny hafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary hiavonavona am-po izy ka handringana ny maro tsy manampo na inona na inona; ary hitsangana hanohitra ny Mpanjakan’ny mpanjaka izy; kanjo kosa ho torotoro, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona. Ary marina ny amin’ireo hariva sy maraina voalaza ireo, nefa tano ho tsiambaratelo ny fahitana fa mbola ho andro maro izany. Dia torana izaho Daniela ka nandraiky narary nandritra ny andro vitsivitsy; nony afaka izany dia nitsangana aho ka nikarakara ny raharahan’ny mpanjaka. Nihoron-koditra tamin’ny fahitana aho satria tena tsy azoko ny hevitr’izany. Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy, zanak’i Ahasoerosy, avy amin’ny taranaky ny Mediana, izay nampanjakaina tamin’ny fanjakan’ny Kaldeana, tamin’ny taona voalohany nanjakany, izaho Daniela dia nahalala tamin’ny boky ny isan’ny taona nampahafantarin’ny tenin’NY TOMPO an’i Jeremia mpaminany, fa afaka fitopolo taona no ho tapitra ny faharavan’i Jerosalema. Dia nitodika tamin’Andriamanitra Tompo aho mba hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ny fifadian-kanina sy ny lamba fisaonana ary ny lavenona. Ary nivavaka tamin’NY TOMPO Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy, Tompo ô! Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindrampo ho amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao. Efa nanota izahay sady nanao izay meloka sy izay ratsy ary nikomy. Eny, efa niala tamin’ny didinao sy ny fitsipikao izahay, ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao izay niteny tamin’ny anaranao tamin’ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay sy ny vahoaka rehetra. Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin’izao anio izao, dia an’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin’ny tany rehetra izay nandroahanao azy noho ny fahadisoana izay nataony Taminao. Eny, anay ny fangaihaizana, TOMPO ô, dia an’ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay. An’ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindrampo sy ny famelan-keloka satria efa nikomy taminy izahay ka tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàna izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay. Eny, nandika ny lalànanao ny Israely rehetra ka niala fa tsy nihaino ny feonao, koa dia naidina taminay ny ozona lazain’ny fianianana izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay. Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitondra izay nitondra anay, koa nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin’ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy zava-nitranga tahaka izay nitranga tany Jerosalema. Araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy no nahatongavan’izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitray ihany izahay mba hialanay amin’ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao. Koa izany no nitahirizan’NY TOMPO ny loza ka nataony mihatra Taminay, fa marina NY TOMPO Andriamanitray amin’ny asany rehetra izay nataony, fa izahay no tsy nihaino ny feony. Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta tamin’ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao izay ratsy izahay. Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hitony ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’i Jerosalema tanànanao sady tendrombohitrao masina; fa ny helokay sy ny fahotan’ny razanay no nahatonga an’i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin’izay rehetra manodidina anay. Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato amin’ny fitoeranao masina, izay efa foana, ny tavanao, satria Tompo Ianao. Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa; ahirato ny masonao ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin’ny anaranao, fa tsy amin’ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao fa amin’ny halehiben’ny indrafonao. Tompo ô, henoy izahay! Tompo ô, mamelà ny helokay! Tompo ô, mihainoa ka miasà! Aza ela Ianao, ry Andriamanitro ô, noho ny Aminao, fa ny anaranao no antsoina eto amin’ny tanànanao sy ny olonao. Raha mbola niteny sy nivavaka ary niaiky ny fahotako mbamin’ny fahotan’ny Israely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitro ho an’ny tendrombohitra masin’Andriamanitro; eny, raha mbola niteny tamin’ny alalan’ny vavaka nataoko aho dia indro ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin’ny fahitana voalohany, nanidintsidina haingana ka nanatona ahy tokony ho tamin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva. Nampahalala ahy sy niresaka tamiko izy hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava ny sainao aho. Tamin’ny niantombohan’ny vavakao dia nisy teny nivoaka ka tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana. Herinandro fitopolo no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hampijanonana ny fahadisoana sy hampitsaharana ny fahotana, hanaovana fanavotana noho ny heloka sy hampidirana fahamarinana mandrakizay, mba hasiana tombo-kase ny fahitana sy ny mpaminany, ary hatao ny fanosorana olona iray izay masina indrindra. Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny fanosorana mpanapaka iray dia misy herinandro fito. Mandritra ny roa amby enimpolo herinandro no hanamboarana indray ny lalana sy ny hady, kanefa ao anatin’ny tebiteby. Rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro dia hovonoina ny lehilahy voahosotra iray ka tsy hisy hiaro azy; ary ny vahoakan’ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny fiafarany dia ho avy toy ny tondra-drano; hatramin’ny faran’ny ady dia hisy fandravana voatendry. Hanao fanekena mafy orina amin’ny maro mandritra ny herinandro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa mandritra ny antsasaky ny herinandro; eo ambonin’ny elatry ny fahavetavetana no hiavian’ny mpandrava, mandra-pahatanteraka ny fandravana voatendry, izay hamely ny mpandrava ihany. Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia nisy teny nambara tamin’i Daniela, izay antsoina hoe Beltesazara. Marina ny teny, ady mafy no nolazainy. Ary nahazo ny teny izy sady nahafantatra ny hevitry ny fahitana. Tamin’izany andro izany izaho, Daniela, dia nisaona roatokom-bolana mipaka. Tsy nihinana hanim-py aho sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra zavatra manitra akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana. Ary tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana voalohany, raha teo amoron’ny ony lehibe aho, dia ny ony Hidekela, dia nanopy ny masoko aho ka nijery ary indro, nisy lehilahy iray niakanjo vita tamin’ny lamba rongony ka tena volamena avy any Ofaza ny fehikibony. Tahaka ny krizolita ny tenany, tahaka ny tselatra ny tarehiny, tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony, ary ny feony dia toy ny feon’olona marobe. Izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana fa ireo olona izay teo amiko kosa dia tsy mba nahita izany, nefa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery. Ary tavela ho irery teo aho dia nahita izany fahitana lehibe izany ka tsy nisy hery tafajanona tato amiko sady niova sy nihahatsatra ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko. Nandre ny teniny ihany anefa aho; ary nony nandre izany aho dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ny tany. Ary indro, nisy tanana nanohina sy nampiarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany aho. Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô! Fantaro ny teny izay lazaiko aminao ka mijoroa eo amin’ny toerana izay misy anao; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Nony nilaza izany teny izany tamiko izy dia nitsangana tamim-pangovitana teo aho. Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hanetry tena teo anatrehan’Andriamanitrao dia efa re ny teninao, ary noho ny teninao no nahatongavako. Ilay andrianan’ny fanjakan’i Persia anefa dia nanohitra ahy nandritra ny iraika amby roapolo andro; fa indro kosa i Mikaela, iray amin’ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; koa izaho ihany no sisa nijanona teo amin’ny mpanjakan’i Persia. Avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra ny fahitana amin’izany andro izany. Nony nilaza izany teny izany tamiko izy dia niankohoka tamin’ny tany aho sady tsy nahateny. Ary indro, nisy iray miendri-janak’olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny tamin’ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony. Fa ahoana no ahazoan’ity izaho mpanomponao ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin’izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, ary tsy nisy aina tavela tato amiko. Ary ilay nanana endrika olona dia mbola nanendry ahy indray sady nampahery ahy ka niteny hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao. Mahereza; eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy dia nihanahery aho ka niteny hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy. Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny niaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa miainga aho dia indro ho avy ny andrianan’i Gresy. Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin’ny soratra marina. Tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo afa-tsy i Mikaela andriananareo. Fa tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy mediana aho no nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy. Ary ankehitriny dia haharihariko aminao ny marina. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra dia hanankarena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery noho ny harenany izy dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Gresy. Hisy mpanjaka mahery hitsangana ka hanapaka amin’ny fahefana lehibe sady hanao araka izay sitrapony. Rehefa mitsangana izy dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; nefa tsy ho an’ny taranany ny fanjakany, na araka ny fahefany izay nitondrany, fa hongotana io ka ho an’ny hafa, fa tsy ho an’ireo. Hahery ny mpanjakan’ny atsimo. Nefa ny iray amin’ny olo-manankaja eo aminy dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fahefana lehibe ny fahefany. Rehefa afaka taona vitsivitsy dia hanjary mpiara-miombona antoka izy roa lahy ireo, ary ho avy ny zanakavavin’ny mpanjakan’ny atsimo hankany amin’ny mpanjakan’ny avaratra hanatsara ny fihavanana. Nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka sy ny sandriny, fa hatolotra miaraka amin’ireo nitondra azy Razazavavy sy ny rainy niteraka azy ary ilay nampahery azy tamin’izany andro izany. Fa hisy solofony iray avy amin’ny fotony hitsangana handimby azy; hanatona ny miaramila izy ary hidirany ny fiarovana mafin’ny mpanjakan’ny avaratra; hasiany ireo ka handresy izy. Ny andriamaniny koa mbamin’ny sarin-javatra voarendrika sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hoentiny any Ejipta avokoa. Hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan’ny avaratra izy. Ary ho tonga any amin’ny fanjakan’ny mpanjakan’ny atsimo izy, nefa hody any amin’ny taniny ihany. Hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila marobe; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana sy hanafotra; rehefa afaka izany dia hiverina izy ary hanihiny hatrany amin’ny fiarovany mafy. Dia hisafoaka ny mpanjakan’ny atsimo ka hivoaka hiady aminy, dia amin’ny mpanjakan’ny avaratra izay hanangona olona marobe; nefa ireo olona marobe ireo dia hatolotra ho eo an-tanany. Ary raha miainga ireo olona marobe ireo dia hiavonavona ny fony; haharipaka alinalina izy nefa tsy ho mpandresy. Fa hiverina ny mpanjakan’ny avaratra ka hanangona olona marobe mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka taona vitsivitsy dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka. Amin’izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan’ny atsimo; ary ireo mahery setra indrindra amin’ny firenenao dia hijoro hahatò ny fahitana; nefa ho lavo izy. Dia ho avy ny mpanjakan’ny avaratra hanandratra tovon-tany hahazo ny tanàna mimanda; ary ny miaramila betsaka avy any atsimo sy ny mpiady fantenany dia tsy afaka hanohitra satria tsy hanan-kery hanoherana. Fa izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary hijanona ao amin’ny tany mahafinaritra izy ary hisy fandringanana eny an-tanany. Dia hivonona tsara handeha amin’ny herin’ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; homeny azy ho vady ny zanany vavy ka hahatonga loza ho azy izany; nefa tsy ho tanteraka izany sady tsy hahasoa azy akory. Ary hitodika mankany amin’ny nosy izy ka hahazo olona marobe; fa hisy mpitondra hampitsahatra ny latsa ataony, nefa izy kosa dia tsy afaka handatsa. Dia hiverina hankany amin’ny fiarovana mafy any amin’ny taniny izy nefa ho tafintohina sy ho lavo ka tsy ho hita intsony. Ary hitsangana handimby azy indray ny iray izay hampandeha mpampahory ho any amin’izay faritra tsara indrindra amin’ny fanjakany; ary rehefa afaka andro vitsy dia ho faty io, nefa tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny ady. Hisy olona famingavinga indray hitsangana handimby io, izay tsy homena ny voninahitra amin’ny fitondram-panjakana; fa hiditra mangingina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ny hafetsena, ary ireo miaramila betsaka dia hirohotra eo aminy ka ho resiny miaraka amin’ny mpanapaka izay vita fanekena aminy. Rehefa vita fanekena aminy io dia hampiasa fitaka; hiakatra izy ka hahery na dia vitsy aza ny olona entiny. Hiditra tsy ampoizina amin’ny fari-piadidiana mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ny rainy na ny razany; hozarainy amin’ny azy ny remby sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina hamelezana ny manda fiarovana mandritra ny fotoana voafetra izy. Hampiasa ny heriny sy ny hafanam-pony mba hamelezana ny mpanjakan’ny atsimo amin’ny miaramila maro izy; ny mpanjakan’ny atsimo kosa dia hanafika ka hitondra miaramila maro sady tena mahery; nefa tsy hahajanona izy satria hisy hamoron-tsaina hamely azy. Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany dia hanenika sy hanafotra ny tany ka maro ny faty hiampatrampatra. Ny fon’ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta hanao ratsy; eo an-databatra iray no hiresahany lainga. Nefa tsy hahomby izany fa hisy farany amin’ny fotoana voafetra ihany. Hiverina ho any amin’ny taniny mitondra harena be izy; ny fony anefa dia hanohitra ny fanekena masina; hataony izany dia hiverina ho any amin’ny taniny izy. Amin’ny fotoana voatendry dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany dia tsy ho toy ny voalohany; fa ho avy hamely azy ny sambon’i Kitima; dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin’ny fanekena masina; eny, hiverina izy ka hifanaraka indray amin’ireo efa mahafoy ny fanekena masina. Hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isanandro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana. Izay mivadika ny fanekena dia ho azony amin’ny fandokadokafana. Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia hahery ary hiasa. Ary izay hendry ao amin’ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy. Rehefa lavo izy ireo dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ny fihatsarambelatsihy. Hisy ho lavo koa ny manantsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, nefa ho amin’ny fotoana voafetra ihany izany. Hanao araka izay sitrapony ny mpanjaka ka hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra, ary hiteny zavatra mahagaga manohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra; hahomby amin’izany ihany izy mandra-pahatanteraka ny fahatezerana, satria izay efa voatendry ihany no tsy maintsy hitranga. Tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ilay tian’ny vehivavy manokana; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; volamena, volafotsy, vatosoa sy zavatra mahafinaritra no hoentiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. Miaraka amin’ny andriamanitra hafa izy no hamely ny manda fiarovana mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra sady hataony mpanapaka ny maro ka hozarainy aminy ny tany ho valisoa. Amin’ny fotoanan’ny farany dia hifanohitra aminy ny mpanjakan’ny atsimo; ny mpanjakan’ny avaratra koa dia ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; hiditra ao amin’ny tany izy ka hanerana sy hanafotra azy. Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra koa izy ary maro no ho lavo; fa ireto avy kosa no ho afa-mandositra ny tanany: i Edoma sy i Moaba ary ireo lohan’ny taranak’i Amona. Hanainga ny tanany amin’ny tany sasany koa izy; ary ny tany Ejipta dia tsy ho afa-mandositra. Fa ho lasany ny rakitra volamena sy volafotsy, ary ny zava-tsoan’i Ejipta rehetra ary ny Libiana sy ny Etiopiana dia hanara-dia azy. Fa hisy siosion-dresaka avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy ka hivoaka handrava sy handringana olona maro amin’ny fahatezerana lehibe izy. Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny tranolainy izay lapany, nefa ho tonga ao amin’izay hiafarany ihany izy ka tsy hisy hamonjy azy. Amin’izany andro izany dia hitsangana i Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izay dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky. Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: Ny sasany dia ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ny sasany kosa dia ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. Ianao kosa, ry Daniela, dia tano ho tsiambaratelo ny teny ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-piavin’ny andro farany. Maro no hazoto mikaroka ka hitombo fahalalana. Dia nijery izaho Daniela ka indro, nisy olona roa hafa koa nijoro, ny iray dia teto amoron’ny ony, ary ny iray kosa dia teroa andafiny. Hoy ny iray tamin’ilay lehilahy mitafy lamba rongony, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony: Rahoviana vao ho tonga ny faran’ireo fahagagana ireo? Ary ilay lehilahy mitafy lamba rongony, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony, dia nanandratra ny tanany havanana sy ny tanany havia ho amin’ny lanitra ka reko nianiana tamin’Izay velona mandrakizay izy, fa ho fetrandro iray sy fetrandro roa ary antsasaky ny fetrandro no sisa; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olona masina dia ho tanteraka ireo rehetra ireo. Nandre izany aho nefa tsy nahazo ny heviny. Dia hoy aho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo? Dia hoy izy: Mandehana, ry Daniela, fa voatana ho tsiambaratelo ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-piavin’ny andro farany. Maro no hodiovina sy hofotsina ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa dia mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra. Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isanandro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roanjato sy arivo. Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telopolo sy telonjato sy arivo. Koa mandehana ianao mandra-piavin’ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana hahazo ny anjara ho anao amin’ny andro farany. Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely. Ny fiandohan’ny tenin’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Hosea: Hoy NY TOMPO tamin’i Hosea: Andeha ianao manambady vehivavy janga, zanaky ny fijangajangana, fa fatra-mpijangajanga miala amin’NY TOMPO ny tany. Dia lasa izy naka an’i Gomera, zanakavavin’i Diblaima. Ary nanana anaka Ravehivavy ka nitera-dahy taminy. Hoy NY TOMPO taminy: Ataovy hoe Jezirela ny anarany; fa vetivety foana dia hovaliako ny taranak’i Jeho noho ny ra nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ny taranak’Israely. Amin’izany andro izany dia hotapahiko ny tsipìkan’ny Israely ao amin’ny tany lemaka Jezirela. Ary nanana anaka indray Ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy NY TOMPO taminy: Ataovy hoe Lo-Rohama ny anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Israely intsony Aho; eny, tsy havelako mihitsy ny helony. Fa ny taranak’i Joda no hamindrako fo, ary Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra na amin’ny ady na amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly. Rehefa nisara-nono i Lo-Rohama dia nanana anaka indray ny reniny ka nitera-dahy. Dia hoy NY TOMPO: Ataovy hoe Lo-Amỳ ny anarany fa tsy oloko ianareo, ary Izaho tsy anareo. Kanefa, na izany aza, ny isan’ny Zanak’Israely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy azo afàtra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hilazana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona ianareo! Dia hiara-mivory ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely ka hifidy iray ho lohany izy ireo, ary hisondrotra ambony eo amin’ny tany; fa ho lehibe ny andron’i Jezirela. Milazà amin’ny rahalahinareo hoe Amỳ! ary amin’ny anabavinareo hoe Rohama! Mifandahara amin’ny reninareo; eny, mifandahara fa tsy vadiko izy, ary tsy vadiny Aho! Aoka hesoriny hiala eo amin’ny tavany ny fijejojejoany ary tsy ho eo an-tratrany ny fijangajangany! Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hataoko toy ny tany efitra izy sy toy ny tany karankaina. Eny, hataoko matin-ketaheta izy; tsy hamindra fo amin’ny zanany Aho satria zanaky ny fijangajangana ireny. Nijangajanga ny reniny; eny, ilay torontoronina azy dia nanao izay mahamenatra; fa hoy izy hoe: Hanaraka ireo lehilahiko ihany izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko ary ny diloiloko sy izay hosotroiko, aho. Koa indro, hotampenako ny lalanao, hasiako tsilo sady hasiako fefy. Dia tsy hahita izay lalan-kalehany intsony izy. Hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy nefa tsy hahatratra azy; eny, hitady ireo lehilahiny ireo izy nefa tsy hahita; dia hiteny izy hoe: Handeha hody amin’ny vadiko taloha aho; fa sambatra kokoa aho tamin’izany noho ny ankehitriny. Tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Nataoko betsaka ny volafotsiny sy ny volamenany, kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’ny Baala izany! Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany. Ankehitriny dia hasehoko eo imason’ireo lehilahiny ny fahamenarany ka tsy hisy hahafaka azy amin’ny tanako. Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany; eny, ny fotoam-piravoravoany rehetra. Hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny izay nolazainy hoe: Karama maloto avy tamin’ireo lehilahiko ireto! Hataoko ho tonga kirihitra ireny ka hohanin’ny bibidia. Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny perany sy ny firavany. Nanaraka ireo lehilahiny izy fa Izaho kosa dia nohadinoiny, hoy NY TOMPO. Koa indro, hitaona azy Aho ka hitondra azy ho any an-tany efitra ary hanao teny malefaka aminy. Avy any dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora mba ho varavaran’ny fanantenana. Any no hamaliany Ahy toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany, toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta. Amin’izany andro izany Aho, hoy NY TOMPO, dia hantsoinao hoe Vadiko, fa tsy hantsoinao intsony hoe Baalako. Hesoriko amin’ny vavany ny anaran’ireo Baala ka tsy hotsarovana amin’ny anarany intsony ireo. Amin’izany andro izany dia hanao fanekena ho azy Aho, miaraka amin’ny bibidia sy ny voromanidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandeha amin’ny tany. Hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady ka hataoko mandry fehizay ny olona. Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao; eny, hofofoiko ho vadiko marina tokoa ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo. Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao ka hahalala NY TOMPO. Amin’izany andro izany dia hamaly Aho, hoy NY TOMPO; eny, hamaly ny lanitra Aho ary izy kosa dia hamaly ny tany; ny tany dia hamaly ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, ary ireo kosa dia hamaly an’i Jezirela. Hamafy amin’ny tany ho Ahy Aho sady hamindra fo amin’i Lo-Rohama ary hiteny amin’i Lo-Amỳ hoe: Oloko ianao! Ary hiteny kosa izy hoe: Andriamanitro Ianao! Hoy NY TOMPO tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny sakaizany nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’NY TOMPO ny Zanak’Israely; nefa ireo kosa dia mitodika ho amin’izay andriamanitra hafa sady tia mofo voaloboka. Dia novidiko sekela volafotsy dimy amby folo sy varimbazaha iray homera sy tapany izy. Ary hoy aho taminy: Andro maro no hijanonanao amiko; fa tsy mahazo mijangajanga na manambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao. Fa andro maro no hitoeran’ny Zanak’Israely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka na fanatitra na tsangambato na efoda na terafima. Rehefa afaka izany dia hiverina ny Zanak’Israely ka hitady NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona NY TOMPO sy ny fahasoavany izy amin’ny ho avy. Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Zanak’Israely! Fa manana ady amin’ny mponina amin’ny tany NY TOMPO satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany, fa fanozonana sy lainga, famonoana sy halatra ary fijangajangana kosa; eny, manao an-keriny izy ary tsy mitsahatra ny mandatsa-dra. Noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy mbamin’ny bibidia sy ny voromanidina; eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa. Kanefa aza misy miampanga na manome tsiny fa ny olonao dia efa tahaka ireo mifamaly amin’ny mpisorona. Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa dia hiara-tafintohina aminao amin’ny alina, ary hovonoiko ny reninao. Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana. Satria nandà ny fahalalana ianao, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka mba hohadinoiko kosa ny zanakao. Arakaraka ny nitomboany no nanotany Tamiko ka hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny. Mamoky tena amin’ny fanatitra fanadiovana izay aterin’ny oloko izy ireo, ka satriny ihany ho diso ny olona. Ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; hovaliako noho ny lalany izy, ary hatsingeriko aminy ny nataony. Koa hihinana izy nefa tsy ho voky, hijangajanga izy nefa tsy hitombo isa satria efa tsy nahoany intsony NY TOMPO. Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahavery ny saina. Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko ary ny tehiny no miteny aminy; fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy; mijangajanga izy ka manalavitra an’Andriamaniny. Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra; eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo kesika ary ny hazo terebinta izay tsara alokaloka! Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ny vinantovavinareo. Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo raha mijangajanga izy, fa ny tenany aza dia mitokana mankany amin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo mpijangajanga ho fanompoan-tsampy. Tsy ho vanona ny firenena tsy misaina. Na dia mijangajanga aza ianao, ry Israely, aoka tsy mba hanota ny Joda; aza mankany Gilgala ianareo na miakatra any Bety-Avena; ary aza mianiana hoe: Raha velona koa NY TOMPO! Fa maditra toy ny vantotra ombivavy maditra ny Israely; koa ankehitriny dia handrasan’NY TOMPO toy ny zanak’ondry eny amin’ny malalaka izy. Lasa mpiombona amin’ny sampy i Efraima; aoka izy ho eo! Raha vao mitsahatra ny fibobohany divay dia tsy manao afa-tsy ny mijangajanga izy. Mankasitraka fahafaham-baraka ireo mpitondra azy. Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra. Henoinareo izao, ry mpisorona! Mihainoa, ry taranak’Israely! Atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka, fa ianareo no hiharan’ny fitsarana satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo ary fandrika harato voavelatra ao Tabara. Misy mpivadika fatra-mpamono, fa Izaho kosa dia famaizana ho azy rehetra. Izaho dia mahalala an’i Efraima ary tsy miafina Amiko Israely; ankehitriny ianao, ry Efraima, dia tonga mpijangajanga ka voaloto Israely. Tsy avelan’ny ataony hiverina amin’Andriamanitra izy satria ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny ary tsy mahalala NY TOMPO izy. Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’ny Israely; ho lavon-keloka Israely sy i Efraima; hiara-lavo amin’izy ireo koa i Joda. Hitondra ny omby aman’ondriny izy ka handeha hitady NY TOMPO nefa tsy hahita Azy satria NY TOMPO efa niala taminy. Nivadika tamin’NY TOMPO izy ireo satria niteraka zazasary; ankehitriny dia ho levonin’ny voaloham-bolana izy mbamin’ny anjara lovany. Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ao Rama ny trompetra! Miantsoantsoa mafy ao Bety-Avena! Jereo ao aoriananao ry Benjamina! Ho lao i Efraima raha tonga amin’ny andro fanamelohana. Zavatra tsy maintsy ho to no nampahafantariko teo amin’ireo fokon’ny Israely. Ny mpanapaka an’i Joda dia efa tonga toy izay mamindra ny fetran’ny faritany, koa ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny riaka. Ampahoriana i Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana satria ninia nanaraka zava-poana izy. Koa amin’i Efraima Aho dia tahaka ny kalalao ary amin’ny taranak’i Joda dia toy ny fahalovana. Hitan’i Efraima ny aretiny ary hitan’i Joda ny feriny; dia nankany Asiria i Efraima; eny, nandefa iraka ho any amin’i Jareba mpanjaka izy; nefa sady tsy mahasitrana anareo izy no tsy mahatsabo ny ferinareo, satria amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora. Izaho dia Izaho no mamiravira dia lasa mandeha. Lasako izy ka tsy misy mahavonjy. Handeha hody any amin’ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Hitady Ahy fatratra izy rehefa azom-pahoriana. Andeha hiverina amin’NY TOMPO isika! Fa Izy no namiravira nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no namely nefa Izy no hamehy ny ferintsika. Rehefa afaka roa andro dia hovelominy indray isika ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika. Dia aoka hahalala isika; eny, aoka hiezaka hahalala NY TOMPO. Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy ary toy ny faraorana mahavonto ny tany. Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona amin’ny maraina ny fitiavanareo, tahaka ny ando izay levona raha vao maraina. Noho izany no nitondrako ny mpaminany hamely azy; ny tenin’ny vavako no nentiko namono azy ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava satria famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana manontolo. Nivadika ny fanekena toy ny tany Adama ireny. Tao no nivadihany Tamiko. I Gileada dia tanànan’ny mpanao ratsy lian-dra. Toy ny jiolahy manao vela-pandrika ny fikambanan’ny mpisorona; mamono olona eny an-dalambe mankany Sekema izy; eny, fahafaham-baraka izany. Tao amin’ny taranak’Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ao no nijangajangan’i Efraima sy naha voaloto an’Israely. Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny andro hijinjana anao rehefa tafaveriko amin’ny toerany ny oloko. Raha ta hanasitrana ny Israely Aho dia miseho ny helok’i Efraima sy ny asa ratsin’i Samaria satria fatra-mpandainga izy; miditra ny mpangalatra, ary mandehandeha eny ivelany ny andian-jiolahy. Tsy mihevitra ao am-pony izy fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra; ankehitriny dia gejain’ny nataony izy, ary tonga eo anatrehako izany. Amin’ny asa ratsy ataony no ampifaliany ny mpanjaka ary amin’ny laingany no ampifaliany ny mpanapaka. Samy mpaka vadin’olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ny mpanao mofo izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony. Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ny herin’ny divay ny mpanapaka; nifandray tanana tamin’ny mpaniratsira izy. Fa entin’ireo ho ao amin’ny vela-pandrika ny fony toy ny ho ao amin’ny fatana; mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanao mofo, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana. Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny mpitsarany; efa lavo avokoa ny mpanjakany, ary tsy misy miantso Ahy izy rehetra. I Efraima dia miharoharo amin’ireo firenena; I Efraima dia efa tonga toy ny mofo tsy voavadika. Lanin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany. Eny, efa miha fotsy volo ihany izy saingy tsy fantany. Ny avonavon’Israely dia vavolombelona manameloka azy nefa tsy miverina amin’NY TOMPO Andriamaniny ihany izy; na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitady Azy izy. Tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina i Efraima; efa niantso an’i Ejipta izy ary efa nankany Asiria. Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany. Lozan’izy ireo fa nandositra Ahy izy! Haringana izy satria nikomy tamiko! Ta hanavotra azy Aho, kanefa lainga no entiny milaza Ahy. Tsy mitaraina Amiko ao am-pony izy fa midradradradra foana ao am-pandrianany; mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy sady mikomy hiala Amiko. Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy. Miverina ihany izy nefa tsy ho amin’ny Avo; tonga tahaka ny tsipìka mivaona fandeha izy; ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany. Izany no ho fandatsana azy any amin’ny tany Ejipta. Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’NY TOMPO satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalànako ireo. Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô! Mahalala Anao izahay Israely! Arian’ny Israely ny soa ka ny fahavalo no hanenjika azy. Nanangana mpanjaka ireo nefa tsy avy tamiko; nifidy mpanapaka izy nefa tsy fantatro. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampy mba hamongorana azy! Maharikoriko ny ombilahikelinao, ry Samaria! Mirehitra aminareo ny fahatezerako. Mandra-pahoviana no tsy ho zakanareo ny fahadiovana? Fa avy tamin’ny Israely ireny; mpahay taozavatra no nanao azy ka tsy andriamanitra io! Ho torotoro ny ombilahikelin’i Samaria. Satria rivotra no nafafiny dia tadio kosa no hojinjainy; tsy misy vary mitsangana, tsy hisy ventiny ny salohiny; ary raha toa ka hisy aza dia olona hafa firenena no hihinana azy. Voatelina ny Israely! Ankehitriny dia tonga tahaka ny fanaka tsy misy vidiny izy any amin’ny Jentilisa. Fa niakatra ho any Asiria izy, toy ny borikidia mandeha irery. I Efraima dia nandoa vola tamin’ny olon-tiany. Nefa na dia nandoa vola tany amin’ny Jentilisa aza izy dia hovoriko ihany ankehitriny; ary afaka fotoana fohy dia hijaly izy noho ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka. Nanao alitara maro hanotana i Efraima; eny, alitara mba hanotany. Na dia soratako ho azy aza ny antsipiriany amin’ny lalànako, dia ataony ho toy ny avy amin’olon-kafa izany. Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy; eny, mihinana ny henan’izany, nefa tsy sitraky NY TOMPO ireo. Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; eny, hiverina ho any Ejipta izy ireny. Nanadino ny Mpanao azy Israely ka nanorina lapa mirenty. I Joda kosa dia nanamaro tanàna mimanda. Handefasako afo ao an-tanànany ka holevonin’izany ireo lapa. Aza mifaly ry Israely, aza faly loatra toy ny firenena hafa, fa efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao ianao, sady efa tia karama maloto teny am-pamoloana rehetra teny! Tsy hahavelona azy ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka ary handiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka. Tsy honina ao amin’ny tanin’NY TOMPO izy; hiverina ho any Ejipta i Efraima ary hihinana zavatra tsy madio any Asiria. Tsy hampidina divay ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady tsy hankasitrahany izany; tsy hankasitrahany ny zavatra vonoiny hatao fanatitra fa ho toy ny fahan-kanina ho an’ny mpisaona; ho voaloto izay rehetra homana izany; fa ny haniny dia ho an’ny tenany ihany ka tsy ho tafiditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Inona ary no hataonareo raha tonga amin’ny fotoam-pivavahana sy amin’ny andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO? Fa e! Lasa nandositra ny fandringanana izy; i Ejipta no hanangona azy, i Memfisa no handevina azy; ho rakotry ny songosongo mandady ny fanaka volafotsiny sarobidy; tsilo no ho ao an-dainy. Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fampamoahana; ho fantatr’Israely izany! Adala ny mpaminany ary very saina ny olona mahazo tsindrimandry noho ny halehiben’ny helokao sy habetsahan’ny fanoherana anao. Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitilin’i Efraima, dia ny mpaminany; eny amin’ny alehany rehetra ny haraton’ny mpamandri-borona ary tonga hatrany amin’ny tranon’Andriamaniny ny fankahalana azy. Fatra-mpanao ratsy izy ireo, toy ny tany Gibea fahiny. Ho tsarovan’Andriamanitra ny helony ary hovaliany ny fahotany. Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy. Ny amin’i Efraima, hihelina toy ny voromanidina ny voninahiny ka tsy hisy hiteraka, na hanana anaka, na ho torontoronina. Na dia misy mitaiza aza ny zanany dia hofoanako ihany ireny mialoha ny maha lehibe azy. Eny, hahita loza tokoa izy amin’ny handaozako azy! I Efraima, raha ny nahitako azy, dia voavoly ao amin’ny tany mahafinaritra tahaka an’i Tiro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ny mpamono izy. TOMPO ô, omeo azy... Inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra. Ao Gilgala ny fahotany rehetra; eny, tao no nankahalako azy. Noho ny faharatsian’ny asany dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy. Tsy ho tia azy intsony Aho fa mpikomy avokoa ny mpanapaka azy. Voaratra i Efraima, maina ny fotony ka tsy hamoa intsony izy; eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny nateraky ny kibony izay mahafinaritra azy. Harian’Andriamanitro izy satria tsy nihaino Azy; ho tonga mpirenireny any amin’ny Jentilisa izy. Voaloboka nisandrahaka Israely, namoa ho azy izy; arakaraka ny habetsahan’ny voany no nanaovany alitara betsaka; arakaraka ny hatsaran’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy. Mamitaka ny fony, koa hovaliana izy izao noho ny helony. NY TOMPO no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangambaton-tsampiny. Ankehitriny dia hoy izy hoe: Tsy manana mpanjaka isika; fa tsy natahorantsika NY TOMPO, kanefa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka? Namoaka teny maro izy, nanao fianianana mandainga, nanao fifanekena; fa nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bava asa eny an-tsaha ny fitsarana azy. Matahotra ny mponina any Samaria noho ny amin’ny ombivavy kely ao Bety-Avena; mitomany azy ny olony ary mangovitra noho ny aminy ny mpisorony, dia noho ny amin’ny voninahiny izay lasan-ko babo. Hoentina any Asiria koa iny ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka. Ho afa-baraka i Efraima; eny, hangaihay Israely noho ny zavatra nosaininy. Ho rava i Samaria, ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano ny mpanjakany. Ho rava koa ny toerana fanaovana sorona ao Avena izay anotan’ny Israely; ho rakotry ny tsilo sy songosongo ny alitarany. Hiteny amin’ny tendrombohitra izy hoe: Saròny izahay! Ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay! Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana! Araka ny sitrako no hamaizako azy; hovorina hamely azy ny firenena amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha. Tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka i Efraima ka faly manosihosy vary; hasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Horoahiko i Efraima, hiasa tany i Joda ary handravona azy i Jakoba. Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, miasà tany vaovao ho anareo. Fa izao no andro hitadiavana NY TOMPO ambara-piaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo. Asa ratsy no nataonareo ka tsy fahamarinana no nojinjainareo; nihinana ny vokatry ny lainga ianareo. Koa satria nitoky tamin’ny lalanao sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinao ianao dia hisy tabataba hamelezana ny olonao ka horavana ny tanànanao mimanda rehetra, toy ny nandravan’i Salamana an’i Bety-Arbela tamin’ny andro niadiana ka niara-torotoro ny reniny sy ny zanany. Toy izany no hanjo anareo, ry Betela noho ny haben’ny faharatsianareo; raha maraina ny andro dia ho levona tanteraka ny mpanjakan’ny Israely. Fony mbola zaza Israely dia tiako izy ary nantsoiko hiala tany Ejipta ny zanako. Nony nisy niantso azy dia vao mainka izy nandositra ireny; ho an’ireo Baala no namonoany zavatra hatao fanatitra ary ho an’ny sarin-javatra voasokitra no nandoroany ditin-kazo manitra. Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha; eny, noraisiko tamin’ny tanany aza izy, nefa odiany tsy fantatra fa Izaho no nikarakara azy. Tamin’ny tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana. Toy izay manainga ny zioga eo ambonin’ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora. Tsy hiverina ho any amin’ny tany Ejipta izy, fa i Asiria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy. Hisy sabatra hihodinkodina ao an-tanànany ka handrava ny manodidina ary handevona azy noho ny fikasana nananany. Minia mikomy Amiko ny oloko; ary na dia antsoina ho amin’ny Avo aza izy dia tsy misy mety mitsangana akory. Hataoko ahoana re no fahafoy anao, ry Efraima? Na ho fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana re no fitondra anao ho tahaka an’i Adma? Hataoko tahaka an’i Zeboima va ianao? Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko. Tsy hampirehitra ny hatezerako Aho na handringana an’i Efraima intsony satria tsy olona Aho fa Andriamanitra, dia ny Iray Masina ao aminao, ka tsy ho avy amin’ny fahatezerana mirehitra Aho. Hanaraka NY TOMPO ireny; hierona toy ny liona Izy; eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka. Hanatona amin-kovitra avy any Ejipta toy ny voronkely izy ary avy any amin’ny tany Asiria toy ny voromailala; dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy NY TOMPO. Manodidina Ahy amin’ny lainga i Efraima ary amin’ny fitaka ny taranak’Israely; nefa i Joda dia mbola miaraka amin’Andriamanitra izay masina sy mahatoky ihany. Homan-drivotra i Efraima sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana; mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fampihorohoroana; manao fanekena amin’ny Asiriana izy ary mitondra diloilo ho any Ejipta. Manana ady amin’i Joda koa NY TOMPO ary tsy maintsy mamaly an’i Jakoba araka ny lalany ka hatsingeriny aminy ny nataony. Fony mbola tany am-bohoka izy dia nihazona ny voditongotry ny rahalahiny ary rehefa lehibe izy dia nitolona tamin’Andriamanitra. Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika; NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, NY TOMPO no hahatsiarovana Azy. Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao, tandremo ny fahitsiana sy ny rariny, miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva. Misy mizana miangatra eny an-tanan’ny mpivaro-mandeha; ny manambaka no tiany. Fa hoy i Efraima: Fiharian-karena ihany no nataoko ka nahazo fananana aho; tsy misy nahatonga fahotana na heloka ho ahy ny asako rehetra. Izaho no TOMPO Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta; mbola hampitoetra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ny andro firavoravoana. Niteny tamin’ny mpaminany koa Aho sady nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazako fanoharana. Raha tena olon-dratsy i Gileada dia ho tonga zava-poana tokoa izy. Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra; koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bava asa any an-tsaha. Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakoba, nanompo hahazoany vady Israely; eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’osy. Mpaminany no noentin’NY TOMPO nitondra ny Israely nivoaka avy tany Ejipta, ary mpaminany koa no noentina niahy azy. Nanao izay nahasosotra sy nahatezitra i Efraima, ka havelan’ny Tompony ho eo aminy ny rany ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony. Raha niteny i Efraima dia nampihorohoro ka nisandratra tao amin’ny Israely izy. Nefa nanota ny amin’ny Baala izy ka maty. Ankehitriny dia mbola manota ihany izy, ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra voarendrika, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ny mpahay taozavatra avokoa. Ireny dia lazaina fa olona no vonoiny hatao fanatitra ary manoroka ombilahy kely izy. Koa ho toy ny rahona maraina izy, sy ho toy ny ando izay levona raha vao maraina ny andro ary ho toy ny akofa izay paohin’ny rivotra hiala amin’ny famoloana sy ho toy ny setroka avy amin’ny varavarankely. Izaho no TOMPO Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta. Tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho dia nahalala anao tany an-tany efitra, dia tany amin’ny tany karankaina. Rehefa nahazo ahitra tsara izy dia voky; eny, voky izy ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany Ahy. Ho tonga toy ny liona aminy Aho; eny, toy ny leoparda amoron-dalana no hijokoako azy; hamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho ka handriatra ny saron’ny fony; eny, any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; ny bibidia no hamiravira azy. Ringana ianao, ry Israely ô, satria nanohitra Ahy izay famonjena anao. Aiza ary izay mpanjakanao? Aoka izy hamonjy anao any an-tanànanao rehetra! Ary aiza ireo mpitsaranao izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho? Nomeko mpanjaka tamin’ny fahatezerako ianao, nefa nesoriko tamin’ny fahavinirako izy. Voafehy ny helok’i Efraima, voatahiry ny fahotany. Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; zanakalahy tsy hendry izy; kanefa amin’ny fotoana hahaterahany dia tsy ho tafavoaka avy tao amin’ny kibon’ny reniny izy. Hafahako avy tamin’ny fitoeran’ny maty izy; havotako amin’ny fahafatesana izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny areti-mandringanao? Ry fitoeran’ny maty ô, aiza ny valanaretinao? Afenina tsy ho hitan’ny masoko ny indrafo! Na dia hahavokatra eo afovoan’ny rahalahiny aza i Efraima dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotry NY TOMPO miakatra avy any an-tany efitra, ka ho ritra ny loharanony ary ho tankina ny fantsakany. Hobaboina ny harena, dia ny fanaka tsara rehetra. Hovaliana i Samaria noho ny helony satria nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika dia hotorotoroina ary ny kibon’ny bevohoka eo aminy dia hotatahana. Ry Israely ô, miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrao fa lavon-keloka ianao. Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’NY TOMPO ka mitenena Aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra ary raiso izay tsara! Dia hatolotray ho fanatitra ny molotray ho solon’ny vantotra ombilahy. Tsy hamonjy anay i Asiria, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony hoe: Ry andriamanitray ô! Fa ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo. Hositraniko ny fivadihany, ho tia azy amin’ny foko tokoa Aho; fa efa niala taminy ny fahatezerako. Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Israely; hamony tahaka ny lisy izy ary hamaka tahaka an’i Libanona. Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’i Libanona ny hanitra avy aminy. Hiverina indray ireo izay nipetraka tao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra vary indray izy, sady hamelana tahaka ny voaloboka; ho tahaka ny an’ny divay avy any Libanona ny lazany. Ry Efraima ô! Hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; tahaka ny hazo kipreso maitso Aho, avy Amiko no hahazoana ny vokatrao. Iza no hendry ka hahafantatra izany zavatra izany? Izay manan-tsaina dia hahalala izany. Fa mahitsy ny lalan’NY TOMPO, ny marina dia mizotra eny aminy, fa ny mpanota kosa dia ho tafintohina eny aminy. Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Joela, zanak’i Petoela. Henoy izao, ry zokiolona! Ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo va izao? Lazao amin’ny zanakareo izao ary aoka hilaza amin’ny zanany kosa ny zanakareo ary ny zanak’ireo kosa indray dia hilaza amin’ny taranaka mandimby azy. Izay sisan’ny kijeja dia nohanin’ny koraika; ary izay sisan’ny koraika dia nohanin’ny valalavao; ary izay sisan’ny valalavao dia nohanin’ny sompanga. Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany! Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; ny nifiny dia nifin’ny lion-dahy, ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy. Nataony simba tokoa ny voaloboko ary notapatapahiny ny aviaviko; nokikisany sy nendahany tanteraka ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany. Midradradradrà toy ny virijiny misikina lamba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany. Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO. Rava ny saha, misaona ny tany fambolena; fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, maina ny diloilo. Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpikarakara ny tanim-boaloboka, noho ireo varimbazaha isan-karazany; fa majifa ny vokatry ny saha, maina ny voaloboka, malazo ny aviavy ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny palma ary ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; eny, malazo ny fifalian’ny zanak’olombelona. Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara; andeha mandry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro, fa tsy ho hita intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina. Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny zokiolona sy ny mponina rehetra amin’ny tany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrareo, ary aoka hitaraina amin’NY TOMPO. Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO ka tahaka ny fandringanana avy amin’ny Tsitoha no fiaviny. Moa tsy efa nesorina teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika? Matimaso ao ambanin’ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitahirizam-bary fa nalazo ny vary. Indrisy ny fitoreon’ny biby! Very hevitra ny andian’omby satria tsy misy ahitra ho azy; eny, na dia ny andian’ny ondry aman’osy aza dia mijaly noho izany. TOMPO ô, Ianao no itarainako! Fa efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra ary nisy lelafo nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha. Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao satria ritra ny lohasahan-driaka ary efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra. Tsofy ao Ziona ny anjomara! Miantsoa mafy ao amin’ny tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany! Fa avy ny Andron’NY TOMPO, eny, efa antomotra izany, dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan’ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aorianany, hatrany amin’ny taonan’ny taranaka fara aman-dimby. Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony. Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany. Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; mivaloarika ny tarehy rehetra. Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin’izay hitsiny avy ka tsy vaky laharana. Tsy mifanosika izy fa samy mandroso amin’izay hitsiny; ary na dia manidina aza ny lefona dia tsy miala an-daharana izy. Mifamoivoy manerana ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ny manda izy, mananika ny trano izy ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra izy. Eo alohany dia mihorohoro ny tany ary mihozongozona ny lanitra; tonga maizina ny masoandro sy ny volana ary tsy mamirapiratra ny kintana. Ary NY TOMPO mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe ny Andron’NY TOMPO sady mahatahotra indrindra, koa iza no mahatanty izany? Koa na dia ankehitriny aza, hoy NY TOMPO, dia miverena Amiko amin’ny fonareo manontolo, amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza. Iza no mahalala raha mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aorianany, dia fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo? Tsofy ao Ziona ny anjomara! Manamasìna andro fifadian-kanina! Miantsoa fivoriana masina! Angony ny vahoaka! Manamasìna ny fiangonana! Vorio ny zokiolona, angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO ka hilazany hoe: Iantrao ny olonao, RY TOMPO ô, ary aza avela ho latsa ny lovanao ka hotapahin’ny Jentilisa; fa nahoana no hataon’ny any amin’ny firenena hoe: Aiza izay Andriamaniny? NY TOMPO dia saro-piaro amin’ny taniny sady miantra ny olony. Eny, NY TOMPO niteny tamin’ny olony hoe: Indro, handefa varimbazaha sy ranom-boaloboka ary diloilo vaovao ho anareo Aho ka ho vokin’izany ianareo; ary tsy havelako ho latsa any amin’ny Jentilisa intsony ianareo. Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sady foana; ho any amin’ny ranomasina atsinanana ny lohalalany, ary ho any amin’ny ranomasina andrefana ny vodilalany; hiakatra ny hamaimboany, ary hisondrotra ny fofon-dratsiny fa efa nanao zava-dehibe izy. Aza matahotra, ry tany fambolena, mifalia sy miravoravoa fa manao zava-dehibe NY TOMPO. Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-tany efitra, mamoa ny hazo ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. Ary ianareo, ry zanak’i Ziona, dia miravoravoa sy mifalia amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanome anareo ny lohaorana amin’ny fotoanany Izy ary handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, dia ny lohaorana sy ny faraorana toy ny taloha. Dia ho feno vary ny famoloana ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo. Ary honerako ho anareo ireo taona nohanin’ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo. Hihinana ianareo ka ho voky, ary hidera ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrareo fa mahagaga ny fitondrany anareo; ary tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay. Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ny Israely Aho, ary Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay. Rehefa afaka izany dia handrotsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, hanonofy ny zokiolonareo, ary hahita fahitana ny zatovonareo; ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza amin’izany andro izany dia handrotsahako ny Fanahiko. Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina. Hampodina ho haizina ny masoandro, ary ho ra ny volana, alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO, izay sady lehibe no mahatahotra. Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay voalazan’NY TOMPO, ary izay antsoin’NY TOMPO dia ho isan’izay sisa velona. Ireo tenin’i Amosa, isan’ny mpiandry ondry tany Tekoa, dia izay hitany ny amin’ny Israely tamin’ny andro nanjakan’i Ozia mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andro nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy: Avy ao Ziona NY TOMPO no mierona, ary avy ao Jerosalema Izy no mampikotroka ny feony. Misaona ny saha fiandrasana ondry ary maina ny tampon’i Karmela. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria ragiragy vy no nanosihoseny an’i Gileada; handefasako afo ny tranon’i Hazaela ka handevona ireo lapan’i Beny-Hadada izany. Hotorotoroiko ny hidin’i Damaskosy, hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’i Avena ary hesoriko tao Bety-Edena izay mitana tehim-piandrianana; ho lasan-ko babo any Kira ny vahoakan’i Arama, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nalefany ho babo avokoa ny olona ka natolony an’i Edoma; handefasako afo ny mandan’i Gaza ka handevona ireo lapany izany. Hofoanako tsy hisy mponina i Asdoda ary tsy hisy hitana tehim-piandrianana ao Askelona; haveriko hamely an’i Ekrona ny tanako ka ho fongana izay sisa amin’ny Filistina, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Tiro, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria natolony an’i Edoma ny babo rehetra ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana; handefasako afo ny mandan’i Tiro ka handevona ireo lapany izany. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy ka nofoanany ny fiantrany; mamiravira mandrakariva ny fahatezerany ary notahiriziny lalandava ny fahavinirany; handefasako afo ao Temana ka handevona ireo lapan’i Bozra izany. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny taranak’i Amona, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria notatahany ny kibon’izay bevohoka tao Gileada mba hanitarany ny taniny; hampirehitra afo ao amin’ny mandan’i Raba Aho ka handevona ireo lapany izany ary hisy horakoraka amin’ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ny andron’ny tadio; dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nodorany ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma; handefasako afo ao Moaba ka handevona ireo lapan’i Kiriota izany; ho faty ao anatin’ny tabataba i Moaba, amin’ny horakoraka sy ny fanenon’ny anjomara; hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hataoko indray mamono izy sy ireo mpanapaka rehetra ao, hoy NY TOMPO. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Joda, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nataony tsinontsinona ny lalànan’NY TOMPO, ary tsy notandremany ny didiny ka nampivily lalana azy ny laingany izay fanaon’ny razany; handefasako afo ao Joda ka handevona ireo lapan’i Jerosalema izany. Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny Israely, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana, satria namidiny volafotsy ny olona marina, ary namidiny kapan’olona iray ny sahirana; mahafaly azy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny mahantra sady mamily ny lalan’ny madinika izy. Olona mianaka no samy mandry amin’ny tovovavy iray ihany ka manamavo ny anarako masina. Amin’ny lamba azony tamin’ny antoka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra, sady misotro ny divay azony tamin’ny sazy ao amin’ny tranon’ny andriamaniny. Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny hazo oaka; eny, nosimbako ny voany teny amboniny sy ny fotony tao ambaniny. Nefa Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitari-dalana anareo efapolo taona tany an-tany efitra mba handovanareo ny tanin’ny Amorita. Nanangana mpaminany tamin’ny zanakalahinareo Aho, ary Nazirita tamin’ny zatovonareo. Tsy izany va no izy, ry Zanak’Israely? hoy NY TOMPO. Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany! Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sarety feno amboara. Koa tsy ho afa-mandositra ny haingam-pandeha ary tsy ho afaka hampiseho ny heriny ny mahery; tsy hahavonjy ny ainy ny mpiady mahery; tsy hahajoro izay mitana tsipìka ary tsy hahavonjy tena ny haingam-pandeha; tsy hahavonjy ny ainy izay mitaingin-tsoavaly ary na dia izay mahery fo indrindra eo amin’ireo mpiady mahery aza dia handositra tsy mitam-piadiana intsony amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO. Henoy izao teny izao izay lazain’NY TOMPO ny aminareo, ry Zanak’Israely, dia ny amin’ny taranaka rehetra izay nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta! Ianareo ihany no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; araka izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra. Ho tafara-dalana va ny olona roa lahy raha tsy efa nifanaiky? Mierona any an’ala va ny liona raha tsy mahita remby? Manerona ao an-davany va ny liona tanora raha tsy nahazo haza? Voan’ny fandrika amin’ny tany va ny vorona raha tsy nisy tadivavarana? Voarirotra hiainga amin’ny tany va ny fandrika raha tsy nahavoa zavatra? Tsofina ao an-tanàna va ny anjomara ka tsy hangovitra ny vahoaka? Misy loza va ao an-tanàna raha tsy NY TOMPO no nahatonga izany? Fa tsy manao na inona na inona tokoa NY TOMPO Andriamanitra raha tsy milaza ny heviny amin’ireo mpaminany mpanompony. Ny liona no mierona ka iza no tsy hatahotra? NY TOMPO Andriamanitra no miteny ka iza no tsy haminany? Ambarao any amin’ireo lapa any Asdoda sy any amin’ireo lapa any amin’ny tany Ejipta hoe: Mivoria any amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianareo ka jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny ao! Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy NY TOMPO; mitahiry fanaovana an-keriny sy hetraketraka ao an-dapany izy. Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ny mandanao ary horobaina ny lapanao. Izao no lazain’NY TOMPO: Toy ny fandrirotry ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona ny tongotr’ondry roa monja na ny sombin-tsofiny, toy izany no ho fandrirotra ny Zanak’Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ny lamba lafo vidy avy any Damaskosy. Henoinareo ka ambarao ny hamelezana ny taranak’i Jakoba! Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Amin’ny andro hamaliako ny Israely noho ny fahotany no hamaliako ireo alitara ao Betela; hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ny tany ireo. Hamely ny trano fonenana amin’ny ririnina sy ny trano fonenana amin’ny fahavaratra Aho; ho rava ny trano ivoara; trano maro no ho fongana, hoy NY TOMPO. Mihainoa izao teny izao, ianareo ombivavin’i Basana, izay eny amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny sahirana ary miteny amin’ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika! NY TOMPO Andriamanitra no efa nianiana tamin’ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro izay hitarihana anareo amin’ny farango sy izay sisa aminareo amin’ny fintana; avy eo amin’ny banga no hivoahanareo samy amin’izay hitsiny avy ary hatsipy any Hermona ianareo, hoy NY TOMPO. Mankanesa any Betela ka manotà! Ary any Gilgala ka manotà fatratra! Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-dra ary isan-kateloana ny fahafolonkarenanareo! Mandoroa fanati-pisaorana miaraka amin’ny mofo misy masirasira! Miantsoa fanatitra an-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izao kosa no efa nataoko anareo: Nataoko mitsako tsy misy ianareo tany an-tanànanareo rehetra ary nasiako tsy fahampian-kanina tamin’ny fonenanareo rehetra. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO. Izaho anefa no nampihantona ny ranonorana tsy ho aminareo raha telo volana sisa tsy ho fararano, koa tamin’ny tanàna iray no nampilatsahako ranonorana ary tamin’ny tanàna iray hafa kosa tsy mba nampilatsahako; ny saha iray dia nilatsahan’ny ranonorana, ary ny saha iray hafa kosa tsy mba nilatsahany dia maina. Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ny tanàna iray, kanjo tsy afaka hetaheta izy. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO. Efa nasiako tamin’ny vary mainan’ny hafanana sy ny maty fotsy ianareo; ny tanimbolinareo maro, ny tanim-boalobokareo, ny aviavinareo ary ny hazo olivanareo, dia nohanin’ny valala. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO. Efa nandefasako areti-mandringana tahaka ilay tany Ejipta ianareo; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; nampiakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ny tobinareo. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO. Efa nisy tanàna noravako teo aminareo, tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora, koa efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ny afo ianareo. Nefa mbola tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO. Koa izao no hataoko aminao, ry Israely ô! Satria hahatonga izany aminao Aho dia miomàna hihaona amin’Andriamanitrao, ry Israely ô! Fa indro Ilay mamolavola ny tendrombohitra sy mahary ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina ary mandia ny havoana amin’ny tany: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Henoinareo izao teny izao, dia hira fisaonana izay entiko milaza anareo, ry taranak’Israely! Lavo tsy hitsangana intsony Israely virijiny; nazera tamin’ny taniny izy ka tsy misy manangana azy. Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay tanàna nandefa arivo lahy dia indreo, zato monja no sisa; ary izay namoaka zato lahy dia indreo, folo monja no sisa ho an’ny taranak’Israely. Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny taranak’Israely: Tadiavo Aho dia ho velona ianareo! Aza mitady any Betela na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Bery-Sheba. Fa ho babo tokoa i Gilgala ary i Betela dia ho foana tanteraka. Tadiavo NY TOMPO dia ho velona ianareo! Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ny taranak’i Josefa Izy ary tsy hisy izay hahafaty ny afo ao Betela; dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampirefarefa ny fahamarinana amin’ny tany! Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia Ilay miantso ny rano any an-dranomasina ka mandraraka azy amin’ny tany, NY TOMPO no anarany, dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery ka mihatra amin’ny tanàna mimanda ny fandravana. Halan’izy ireo izay mananatra eo am-bavahady ary ataony ho zava-maharikoriko izay miteny ny marina. Koa satria nanitsakitsaka ny mahantra ianareo ary nampandoa vary azy, dia nanangana trano vato voapaika ihany koa ianareo nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ianareo nefa tsy hisotro ny divay avy aminy. Fa fantatro fa be ny helokareo ary miavosa ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary manilika ny mahantra tsy ho eo amin’ny fitsarana. Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’izao andro izao, fa andro fahoriana izao. Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo; dia homba anareo NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, araka izay lazainareo. Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, aoreno eo amin’ny fitsarana ny rariny; angamba NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa. Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Eny an-kianja rehetra eny dia hisy fisaonana; ary eny an-dalambe rehetra eny dia hisy hilaza hoe: Indrisy! Indrisy! Hiantso ny mpamboly hitomany izy ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao izany. Any amin’ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana fa handeha hamakivaky eo afovoanareo Aho, hoy NY TOMPO. Lozan’izay maniry ny Andron’NY TOMPO! Hataonareo inona moa ny Andron’NY TOMPO? Ho haizina izany fa tsy ho fahazavana. Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera; rehefa tafiditra ao an-trano izy ka mitehin-tanana amin’ny rindrina dia kaikerin’ny menarana. Moa tsy haizina va ny Andron’NY TOMPO fa tsy fahazavana? Moa tsy haizim-pito tsy misy mangirana akory va izany? Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo ary tsy tiako ho re intsony ny fofon’ny fivoriana masina ataonareo. Na dia anoloranareo fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza Aho dia tsy sitrako izany; ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory. Halaviro Amiko ny finaonaonan’ny hiranareo! Tsy hihaino ny fanenon’ny lokanganareo Aho, fa aoka kosa ny fitsarana hikoriana toy ny rano ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra. Moa efa nanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra alatsa-dra ho Ahy va ianareo fony tany an-tany efitra efapolo taona, ry taranak’Israely? Ento any i Sikota mpanjakanareo sy i Kiona sampinareo dia ny kintan’ny andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo! Hoentiko ho babo any ankoatra an’i Damaskosy ianareo, hoy NY TOMPO. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Lozan’ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ny firenena malaza indrindra, sady hatonin’ny taranak’Israely! Mankanesa any Kalne ianareo ka mijere, mandrosoa ho any Hamata lehibe avy eo; dia midìna ho any Gatan’ny Filistina; tsara noho ireo fanjakana ireo va ianareo? Lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo? Ianareo dia mihevitra ny andro fahoriana ho mbola lavitra, nefa mampanakaiky ny fanjakan’ny fampahoriana. Mandrimandry eo amin’ny farafara ivoara sy mitsilailay eo amin’ny fandrianany izy ireo ary homana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ondry sy ny zanak’omby avy ao am-pahitra. Mihirahira foana manaraka ny feon-dokanga izy ireo ary mamorona zavamaneno toy ny nataon’i Davida. Misotro divay amin’ny kapoaka tsara tarehy izy ireo sady mihosotra diloilo tsara indrindra, nefa tsy mba onena ny faharavan’i Josefa! Koa amin’izao dia ho voalohany amin’izay hobaboina ireo ary hitsahatra ny koranan’izay mitsilailay foana. NY TOMPO Andriamanitra dia nianiana tamin’ny tenany; hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Fahavetavetana eo anatrehako ny fireharehan’i Jakoba ary halako ny lapany; koa hatolotro ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny. Ary raha folo lahy no sisa ao amin’ny trano iray dia samy ho faty izy ireo. Ary ny havan’ireo maty izay mibata ny faty handoro azy ka mitondra ny taolana hiala tao an-trano dia hiteny amin’izay ao an-trano hoe: Mbola misy olona ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliany hoe: Mangìna re! Tsy tokony hotononina ny anaran’NY TOMPO! Fa indro, NY TOMPO mandidy handravana ny trano lehibe ka hotresatresahina ny trano madinika. Mihazakazaka eny amin’ny vatolampy va ny soavaly, misy olona mampihosy omby va eny no efa navadikareo ho poizina ny rariny ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty? Ianareo izay mifaly ny amin’i Lo-Dabara ka miteny hoe: Moa tsy ny herinay va no nahazoanay an’i Karnaima? Indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; hampahory anareo hatrany akaikin’i Hamata izy ka hatramin’ny lohasahan-driaka any amin’ny tany ngazana. Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, namorona andiam-balala Izy rehefa nanomboka nitsimoka iny ny kolokolon’ahitra, kolokolon’izay nojinjaina ho an’ny mpanjaka. Nony laniny avokoa ny zavamaniry amin’ny tany dia hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mamelà heloka! Hataon’i Jakoba ahoana no fahajoro? Kely ange izy e! Nanenenan’NY TOMPO izany. Tsy hisy izany, hoy NY TOMPO. Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, NY TOMPO Andriamanitra niantso fitsarana amin’ny afo ka nandevona ny lalina lehibe ary nandany ny zaralova izany. Dia hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mitsahara re! Hataon’i Jakoba ahoana no fahajoro? Kely ange izy e! Nanenenan’NY TOMPO izany. Tsy hisy koa izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ny manda, sady nisy fandrefesana marindrano teny an-tanany. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy aho: Fandrefesana marindrano. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy fandrefesana marindrano eo amin’ny Israely oloko Aho fa tsy handefitra aminy intsony. Ho foana ireo toerana fanaovana sorona an’Isaka, ho rava ireo fitoerana masin’ny Israely ary hitsangana Aho ka hamely ny taranak’i Jeroboama amin’ny sabatra. Dia nandefa iraka tany amin’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely i Amazia, mpisorona tao Betela, hilaza hoe: Manao tetika fikomiana aminao eo anivon’ny taranak’Israely i Amosa, ary tsy zakan’ny tany ny teniny rehetra. Satria hoy i Amosa: Ho fatin-tsabatra i Jeroboama ary hobaboana hiala amin’ny taniny tokoa ny Israely. Ary hoy i Amazia tamin’i Amosa: Ry mpahita! Andeha mandositra mankany amin’ny tanin’ny Joda ianao; any ianao no hihinan-kanina ary any ianao no haminany. Aza maminany eto Betela intsony fa fitoerana masin’ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity. Dia namaly an’i Amazia i Amosa hoe: Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; mpiandry ondry sy mpikarakara aviavy aho. Nefa nalain’NY TOMPO tany am-piandrasana ondry aho ka nitenenany hoe: Mandehana ka maminania amin’ny Israely oloko. Koa henoy ankehitriny ny tenin’NY TOMPO: Ianao no milaza hoe: Aza maminany hamelezana ny Israely ary aza miteny mamely ny taranak’Isaka! Koa izao no lazain’NY TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao, ho lavon-tsabatra ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, hozaraina amin’ny kofehy fandrefesana ny taninao; ho faty any amin’ny tany maloto ny tenanao ary hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa ny Israely. Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra. Hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy aho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Tonga amin’ny Israely oloko ny farany; tsy handefitra aminy intsony Aho. Ho tonga fitarainana ny hira ao amin’ny tempoly amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho be ny faty ka eny rehetra eny no hanipazana azy. Mangìna re! Mihainoa izao, ianareo izay miandry izay hitelemana ny mahantra sy ta hanafongana ireo tsy manam-piaro eto amin’ny tany! Hoy ianareo: Rahoviana no ho tapitra ny maizim-pito mba hivarotantsika vary, ary ny Sabata mba hanokafantsika ny fitoeram-bary ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekela ary hanaovana mizana mandainga, ka hividianantsika ny mahantra amin’ny volafotsy, sy ny sahirana amin’ny kapan’olona iray ary hivarotantsika ny akofam-bary? NY TOMPO nianiana tamin’ny reharehan’i Jakoba hoe: Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza! Tsy hihorohoro noho izany va ny tany? Tsy hitomany va ny mponina rehetra ao aminy? Eny, hisondrotra tahaka an’i Neily ny tany rehetra ary hihena indray toy ny Neilin’i Ejipta. Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany. Hampodiko ho fisaonana ny andro firavoravoanareo ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra; hosikinako lamba fisaonana ny olona rehetra sady hokakasako ny loha rehetra; hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany ka ny fiafarany dia ho tahaka ny andro mangidy. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO Andriamanitra, izay handefasako mosary amin’ny tany; tsy mosarin-tsakafo anefa, na hetahetan-drano, fa hetaheta handre ny tenin’NY TOMPO. Hivembena hatrany amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray ny olona, hatrany avaratra ka hatrany atsinanana. Eny, hivezivezy hitady ny tenin’NY TOMPO izy nefa tsy hahita. Amin’izany andro izany dia ho malemy noho ny hetaheta ny tovovavy tsara tarehy sy ny tovolahy, dia ireo izay mianiana amin’ny helok’i Samaria ka miteny hoe: Raha velona koa ny andriamanitrao, ry Dana! Raha velona koa ny fanaon’i Bery-Sheba! Ho lavo anefa izy ireo ka tsy hiarina intsony. Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ny alitara aho. Hoy Izy: Asio ny lohan’ny andry hihetsiketsehan’ny tokonana, torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra! Izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra ka tsy hisy afa-mandositra sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. Na dia mibosesika ho any amin’ny fitoeran’ny maty aza izy dia any no hanalan’ny tanako azy; ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy dia avy any no hampidinako azy. Na dia miery any an-tampon’i Karmela aza izy dia any no hitadiavako sy hanalako azy; ary na dia miafina any ambanin’ny ranomasina aza izy mba tsy ho hitan’ny masoko dia any no hibaikoako ny menarana hanaikitra azy. Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony aza izy dia any no hibaikoako ny sabatra hamono azy; ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga loza fa tsy soa aminy. Ary NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mikasika ny tany dia miempo izy; misaona ny mponina rehetra ao aminy; misondrotra tahaka an’i Neily avokoa ireny rehetra ireny ary mihena toy ny Neilin’i Ejipta indray izy; Manangana ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ny tany; miantso ny rano ao amin’ny ranomasina Izy ka mandraraka azy amin’ny tany: NY TOMPO no anarany. Moa tsy tahaka ny taranaky ny Kosita va ianareo Amiko ry Zanak’Israely? hoy NY TOMPO. Tsy nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta va ny Israely, ary avy tany Kaftora ny Filistina, ary avy tany Kira ny Arameana? Indro, ny mason’NY TOMPO Andriamanitra no manandrina ity fanjakana feno ota ity ka hofongorako tsy ho eo ambonin’ny tany izy; kanefa tsy dia hofongorako tanteraka ny taranak’i Jakoba, hoy NY TOMPO. Fa Indro, Izaho no mandidy, koa hosivaniko amin’ny firenena rehetra ny taranak’Israely, tahaka ny fanasivana vary amin’ny sivana; kanefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin’ny tany na dia iray akory aza. Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin’ny oloko, dia ireo izay milaza hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay. Amin’izany andro izany dia hatsangako indray ny trano bongon’i Davida izay efa nianjera, hotampenako ny banga eo aminy; hatsangako indray izay rava aminy ka haoriko ho tahaka ny taloha indray izy mba handovany izay sisa amin’i Edoma sy amin’ny firenena rehetra hantsoina amin’ny anarako, hoy NY TOMPO izay manatanteraka izany. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja ary ny mpanosihosy voaloboka dia hahatratra ny mpamafy; ny tendrombohitra dia hamoaka ranom-boaloboka ary ny havoana rehetra hiempo. Dia hamerina ny Israely oloko indray Aho; dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; hamboatra saham-boankazo koa izy ka hihinana ny vokatra avy aminy. Eny, hamboleko ao amin’ny taniny izy ka tsy hongotana intsony amin’ny taniny izay nomeko azy, hoy NY TOMPO Andriamanitrao. Ny fahitan’i Obadia. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’i Edoma: Nahare filazana avy tamin’NY TOMPO izahay, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hilaza hoe: Mitsangàna! Aoka isika hitsangana hanafika azy! Indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ny firenena ianao, eny, ho tena fanazimbazimba ianao. Ny avonavon’ny fonao no namitaka anao, ry ilay monina eny an-tsefatsefaky ny harambato, any amin’ny fonenana avo, sady miteny anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany? Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao ka mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO. Raha toa misy mpangalatra, na jiolahy amin’ny alina, tonga ao aminao, dia tsy hihetsika va ianao? Moa tsy izay hahafapo azy va no hangalariny? Ary raha toa misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, moa tsy ambinambina voaloboka ihany va no havelany hotsimponinao? Endre ny fitady an’i Esao! Endre ny fikatsaka ny harenany miafina. Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nandroaka anao hatrany amin’ny sisintany; izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; izay mihinana ny haninao no nanao vela-pandrika ao ambaninao. Tsy misy fisainana intsony ao aminy. Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy NY TOMPO, no hamongorako ny olon-kendry any Edoma sy hamongorako ny manan-tsaina any amin’ny tendrombohitr’i Esao? Ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, ary ho ringana sy ho foana ny olona rehetra any amin’ny tendrombohitr’i Esao. Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao ka ho fongotra mandrakizay. Tamin’ilay andro namitsahanao teny ampita, tamin’ny andro namaboan’ny vahiny ny fananany sy nidiran’ny hafa firenena teo amin’ny vavahadiny ary nanaovany antsapaka an’i Jerosalema, dia mba toy ny iray tamin’ireny koa ianao. Aza finaritra mijery ny andron’ny rahalahinao amin’ny andro ahitany loza; aza mifaly ny amin’ny taranak’i Joda amin’ny andro andringanana azy; aza manao teny miavonavona amin’ny andro fahoriana. Aza miditra amin’ny vavahadin’ny oloko ianao amin’ny andro ahitany loza; aza finaritra mijery ny fahantrany ianao amin’ny andro ahitany loza; aza manatsotra tanana haka ny fananany ianao amin’ny andro ahitany loza. Aza mamitsaka eo amin’ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao, ary aza manolotra izay sisa velona aminy ianao amin’ny andro fahoriana. Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO amin’ny firenena rehetra; toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao. Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, dia toy izany koa no hisotroan’ny firenena rehetra mandrakariva, eny, hisotro izy ka hitelina, ary ho toy ny tsy ary izy. Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, ho fitoerana masina indray izany; ary horaisin’ny taranak’i Jakoba indray ny fananany. Ho afo ny taranak’i Jakoba ary ho lelafo ny taranak’i Josefa, fa ny taranak’i Esao kosa dia ho mololo ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; tsy hisy sisa velona ny taranak’i Esao satria NY TOMPO no efa niteny. Ny any Negeva no hahazo ny tendrombohitr’i Esao; ary ny any Sefela no hahazo ny an’ny Filistina; hahazo ny tanin’i Efraima sy ny tany Samaria izy; ary i Benjamina dia hahazo an’i Gileada. Ary ny babo amin’izao Zanak’Israely maro be izao dia hahazo ny Kananita hatrany Zarefata, ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahazo ny tanàna any Negeva. Ary hisy mpanafaka maro hiakatra ao an-tendrombohitra Ziona hitsara ny tendrombohitr’i Esao; ary ho an’NY TOMPO ny fanjakana. Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe: Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary ambarao mafy ny amin’ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. Nefa nitsangana handositra ho any Tarsisy i Jona mba handositra ny tavan’NY TOMPO. Nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia naloany ny sarany ka niondrana taminy izy mba hiara-mandeha tamin’ny olona ho any Tarsisy, hanalavitra NY TOMPO. Fa NY TOMPO nahatonga rivotra mahery teny ambonin’ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina ka efa nila ho vaky ny sambo. Raiki-tahotra ny tantsambo ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy, sady nanary tany an-dranomasina ny entana tao an-tsambo mba hanamaivanana azy. I Jona kosa anefa tamin’izay dia nidina nandry tao ambany indrindra tao amin’ilay sambo ka renoky ny torimaso. Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka niteny taminy hoe: Endre ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna ka antsoy ny Andriamanitrao! Angamba mba hihevitra antsika Izy ka tsy ho faty isika. Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Andeha isika hanao antsapaka mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao antsapaka ry zareo ka i Jona no voatondro. Dia hoy ireo taminy: Miangavy anao izahay, lazao aminay: Noho ny amin’iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ny firenen’iza ianao? Dia hoy ny navaliny azy ireo: Hebreo aho; ary NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako; dia izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina. Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka niteny taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Satria fantany fa nandositra hanalavitra NY TOMPO izy, fa efa nambarany taminy izany. Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina. Ary hoy izy tamin’ireo: Batao aho ka atsipazo any anatin’ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo. Nefa dia mbola nivoy mafy ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ny tany maina, tsy todiny anefa izany fa mbola nihananonja mafy taminy ihany ny ranomasina. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao. Dia nobatain’izy ireo i Jona ka natsipiny tany anatin’ny ranomasina; dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina. Ary natahotra indrindra NY TOMPO ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO sady nanao voady. Ary NY TOMPO nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary i Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano nandritra ny telo andro sy telo alina. Dia nivavaka tamin’NY TOMPO Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano i Jona. Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao. Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao amin’ny ranomasina, ka voasafotry ny riaka aho; nanarona ahy ny alondranonao sy ny onjanao rehetra. Dia hoy aho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho! Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano, nanemitra ahy manodidina ny lalina; nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina. Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; nanidy ahy mandrakizay ny hidin’ny tany; nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, RY TOMPO Andriamanitro! Raha reraka ny fanahiko tato anatiko dia nahatsiaro NY TOMPO aho. Tonga tao Aminao ny vavaka ataoko, dia tao amin’ny tempolinao masina. Izay mivavaka amin’ny sampy dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy; fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’NY TOMPO ny famonjena. Ary NY TOMPO nandidy ilay hazandrano ka naloany ho eny amin’ny tany maina i Jona. Tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’NY TOMPO hoe: Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary ambarao aminy ny teny izay lazaiko aminao. Dia nitsangana i Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’NY TOMPO. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalana hateloana no amakivakiana azy. Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive. Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana, hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianany izy ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana izy sady nipetraka tamin’ny lavenona. Ary araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka dia nasaina nantsoina sy nambara manerana an’i Ninive hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona na biby fiompy, dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy ireo, ary aoka samy hahafoy ny lalan-dratsiny sy ny herisetra fanaon’ny tanany avy izy rehetra. Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahalany ritra antsika? Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy ka tsy nataony izany. Tsy sitrak’i Jona velively izany ka nirehitra ny fahatezerany. Dia nivavaka tamin’NY TOMPO izy hoe: Mifona aminao aho, TOMPO ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ny taniko? Fa ny tsy hisian’ny toy izao no nandosirako ho any Tarsisy satria fantatro fa Ianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza. Koa mifona aminao aho ankehitriny, TOMPO ô, esory ny aiko; fa aleoko maty toy izay ho velona. Fa hoy NY TOMPO: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao? Dia nivoaka niala ny tanàna i Jona ka nipetraka teo atsinanan’ny tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran’ny tanàna. Ary NY TOMPO Andriamanitra nanomana tanantanamanga ka nampaniriny izany, hialokalofan’i Jona, ho alokaloky ny lohany sy hanafaka azy amin’ny manjo azy. Dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga. Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra ka namely ilay tanantanamanga iny, dia maina io. Nony niposaka ny masoandro dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra, ary namely ny lohan’i Jona ny masoandro, dia nangataka ny ho faty izy, sady niteny hoe: Aleoko maty toy izay ho velona. Fa hoy Andriamanitra tamin’i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza. Dia hoy NY TOMPO: Malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao ianao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa. Koa moa va Aho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe, izay misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa? Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Mika morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’i Joda, dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy i Jerosalema. Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra. Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy. Aoka NY TOMPO Andriamanitra no ho vavolombelona hanameloka anareo, dia NY TOMPO, avy ao amin’ny tempoliny masina. Fa indro, NY TOMPO miala avy ao amin’ny fitoerany ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany. Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, ary mivava ny lohasaha, tahaka ny savoka taninin’ny afo sy tahaka ny rano mivarina any amin’ny hantsana. Izany rehetra izany dia noho ny fahadisoan’i Jakoba sy ny fahotan’ny taranak’Israely. Iza no nahadiso an’i Jakoba? Tsy i Samaria va? Ary iza no toerana fanaovana soron’i Joda? Tsy i Jerosalema va? Koa i Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha sy tany fambolem-boaloboka; havariko ho any an-dohasaha ny vatony ka haharihariko ny fanorenany. Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy. Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako ka hahatonga ahy handeha tsy mikiraro sady mitanjaka; hikaonkaona toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny aotirisy. Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria; mihatra amin’i Joda izany ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema. Aza ambaranareo any Gata izany ary aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Bety-Le-afra aho. Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira. Tsy mivoaka ny trano ny mponina ao Zanàna; misaona ny ao Bety-Haezela ka tsy hanohana anareo intsony. Mitaintaina ny amin’ny soa ho azy ny mponina ao Marota satria loza no nidina avy tamin’NY TOMPO ho ao am-bavahadin’i Jerosalema. Fehezo amin’ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy fitondra miady, ry mponina ao Lakisy! Niandohan’ny fahotan’i Ziona zanakavavy iny, fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ny Israely. Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’i Moreseta-Gata; ranotrambo ho an’ny mpanjakan’ny Israely ireo tranon’i Akziba. Mbola hitondrako olon-kafa izay handova anao ianao, ry mponina ao Maresa; ho tonga hatrany Adolama ny voninahitr’Israely. Miheteza sy mikakasa noho ireo zanakao maminao. Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny vaotoro fa lasan-ko babo lavitra anao izy. Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandrianany! Ary nony maraina ny andro dia manatanteraka izany izy satria manan-kery ny tanany. Mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, ary mitsiriritra trano koa ka mahazo azy; mampahory ny raim-pianakaviana mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, manomana loza hamelezana ity firenena ity Aho, dia loza tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo ka tsy handeha miandranandrana ianareo, satria andro mampahory izany. Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Izay no izy! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika. Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko. Indrisy! Esoriny hiala amiko izany. Zarainy ho an’ny mpikomy ny tanintsika! Koa tsy hisy aminao hanenjana kofehy fandrefesana hanaovana antsapaka ao amin’ny fiangonan’NY TOMPO. Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; aoka tsy hiteniteny toy izany izy. Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony! E! Izany va no teninao, ry taranak’i Jakoba? Malaky tezitra va NY TOMPO? Izany va no fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? Vao omaly no omaly no nitsanganan’ny oloko ho fahavalo; endahinareo amin’izay mandeha tsy manana ahiahy avy any an’ady ny akanjobe ivelany manarona ny fitafiany. Ny vehivavy amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitra avy Amiko. Mitsangàna ka mialà! Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto; eny, fandringanana mafy. Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitoriteny aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho dia izy no ho mpitoriteny ho an’ity firenena ity. Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, ary hanangona ny sisa amin’ny Israely. Hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy, toy ny andian’ondry ao amin’ny tany fiandrasana. Hisy tabataban’olona marobe. Ny mpamaky lalana no miakatra eo alohany, mamaky lalana izy ka mandalo eo amin’ny vavahady dia mivoaka avy eo aminy; mandroso eo alohany ny mpanjakany, ary NY TOMPO no mitarika azy. Hoy aho: Mihainoa re ianareo, ry loholon’i Jakoba sy ianareo mpanapaka ny taranak’Israely. Tsy anjara raharahanareo va ny hahalala ny rariny? Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin’ny taolany; eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary manapotipotika ny taolany; eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, dia toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena. Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony. Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko: Rehefa misy zavatra hotsakoiny dia mitory fiadanana izy, fa izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany ady masina! Koa izany no hahatongavan’ny alina aminareo ka tsy hisy fahitana intsony, ary koa ny maizina aminareo ka tsy hisy fanandroana intsony; fa hilentika tsy hanazava ireny mpaminany ireny ny masoandro ary ho maizina aminy ny andro. Ho menatra ny mpahita ary hangaihay ny mpanao fanandroana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra satria tsy misy valinteny avy amin’Andriamanitra. Fa izaho kosa dia feno hery avy amin’ny Fanahin’NY TOMPO, mbamin’ny rariny sy fahasahiana mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy hilaza amin’Israely ny fahotany. Mba mihainoa izao, ianareo loholon’ny taranak’i Jakoba sy mpitondra eo amin’ny taranak’Israely, dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana sy mamadika ny hitsiny rehetra, ianareo izay manangana an’i Ziona amin’ny fandatsahan-dra, sy i Jerosalema amin’ny faharatsiana. Mitsara hahazoany kolikoly ny mpifehiny, mampianatra hahazoany karama ny mpisorony ary manao fanandroana hahazoany vola ny mpaminany; nefa NY TOMPO mbola iankinany ihany ka hoy izy ireo hoe: Tsy ato amintsika va NY TOMPO? Tsy hisy loza hanjo antsika. Koa hasaina toy ny tanimboly i Ziona noho ny nataonareo, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana rakotra ala. Ary izao no ho tonga amin’ny andro ho avy: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra; hasandratra ho avo noho ny havoana rehetra izy ary hitanjozotra hankany ny firenena maro. Eny, maro ny Jentilisa no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, ho any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany ka handehanantsika amin’ny sakeli-dalany. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO. Ho mpitsara amin’ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena matanjaka na dia ireo any lavitra aza. Dia hanefy ny sabany ho lelan’angadinomby ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka: Tsy hisy firenena hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampihorohoro azy, fa ny vavan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no niteny. Ny firenena rehetra dia samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa dia handeha amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika mandrakizay doria. Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin’izay nampahoriko. Ny mandringa no havelako ho sisa, ary izay noroahina lavitra no ho firenena matanjaka. NY TOMPO hanjaka aminy ao amin’ny tendrombohitra Ziona manomboka amin’izany ka ho mandrakizay. Ary ianao, ry Tilikambon’ny andian’ondry, tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, aminao no ho tonga izany; eny, ho tonga indray ny fahefana voalohany, dia ny fanjakan’i Jerosalema zanakavavy. Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainanao, no dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy eo am-piterahana? Ry Ziona zanakavavy, mararia ka manezaha, toy ny vehivavy eo am-piterahana! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao ka hipetraka any an-tsaha, dia ho tonga hatrany Babilona aza; any no hamonjena anao, eny, any no hanavotan’NY TOMPO anao ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao. Ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro izay milaza hoe: Voaloto i Ziona, ary aoka hifaly mijery azy ny masontsika. Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry NY TOMPO ary tsy azony ny fisainany: Efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. Mitsangàna ka manosihoseha, ry Ziona zanakavavy, fa hataoko vy ny tandrokao ary hataoko varahina ny kitronao ka hanorotoro firenena maro ianao; tsy azonao kasihina fa atokàny ho an’NY TOMPO ny harena azony tamin’ny tsy rariny, ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany. Koa mivoria ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andian-tafika! Ataovy fahirano izahay; asio amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely. Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’ny iray ho mpitondra ho Ahy ao amin’ny Israely; hatry ny fahagola no niaviany, dia hatrizay hatrizay. Koa hatolony ireny ambara-pahatongan’ny fotoana hiterahan’ny iray izay hiteraka; ary izay sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina ho eo amin’ny Zanak’Israely. Hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’NY TOMPO sy amin’ny voninahitry ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny ka handry fehizay ireny, fa hatramin’izao Izy dia ho lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany. Ary Izy no ho fiadanana. Raha tonga eto amin’ny tanintsika ny Asiriana ka miditra ao amin’ny tranobentsika dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. Handany ny tany Asiria amin’ny sabatra sy ny tanin’i Nimroda ao an-tanànany ireo. Ary Izy hanafaka antsika amin’ny Asiriana, raha tonga amin’ny tanintsika ireny ka hanitsaka ato amin’ny faritanintsika. Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’NY TOMPO, tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, izay tsy manantena na inona na inona avy amin’ny olona, na miandry zavatra avy amin’ny zanak’olombelona. Ary izay sisa amin’i Jakoba any amin’ny Jentilisa, any amin’ny firenena maro, dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an’ala sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy: Raha mamakivaky ao izy dia manitsakitsaka sy mamiravira nefa tsy misy manafaka. Aoka ny tananao hiainga hamely ny rafilahinao ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra. Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao ary hofonganiko ny kalesy fitondranao miady; hofoanako ny tanàna amin’ny taninao ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra; hofoanako tsy hisy amin’ny tananao ny fanandroanao ary tsy hanana mpanandro intsony ianao. Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra sy ny tsangambaton-tsampinao ka tsy hiankohoka eo anatrehan’ny asan’ny tananao intsony ianao. Hongotako tsy ho eo aminao ny tsangankazon-tsampin’ny Aserahanao ary horavako koa ny tanànanao. Ary amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino. Miangavy anareo aho, mihainoa izay lazain’NY TOMPO: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra, ary aoka ho ren’ny havoana ny feonao! Mihainoa ny adin’NY TOMPO ianareo, ry tendrombohitra sy ianareo, ry fanorena-matezan’ny tany. Fa NY TOMPO manana ady amin’ny olony, eny, amin’ny Israely no ifandaharany. Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho. Fa nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ianao sady navotako avy tao amin’ny trano nanandevozana. Dia nirahiko hitarika anao i Mosesy sy i Arona ary i Miriama. Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba, sy izay navalin’i Balama, zanak’i Beora, azy, ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, hahafantaranareo ny asa marina nataon’NY TOMPO. Inona no hoentiko manatona NY TOMPO sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra izay any amin’ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana manontolo sy ombilahy kely izay iray taona va aho? Ho sitraky NY TOMPO va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny tenako? Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’NY TOMPO aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny rariny sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena. Manaitra ny tanàna ny feon’NY TOMPO ary mahita ny anaranao ny hendry; henoinareo ny tsorakazo sy izay nanendry azy! Mbola misy rakitry ny harena azo tamin’ny tsy rariny ihany va ao an-tranon’ny ratsy fanahy na misy efaha tsy ampy famarana ao, izay mahatonga fahatezerana? Mety madio va aho raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vatomizana tsy marina? Feno hetraketraka ny mpanankarenany, miteny lainga ny mponina ao aminy ary ny lelany ao am-bavany dia fitaka avokoa. Izaho kosa dia hikapoka maharary anao ka handringana anao noho ny helokao. Ary ianao dia hihinana nefa tsy ho voky, fa mbola ho ao anatinao ihany ny hanoananao; hanokana ho tahiry ianao nefa tsy hahita toerana azo antoka hasiana azy, ary izay sendra voatahirinao aza dia hatolotro ho amin’ny sabatra. Ianao dia hamafy nefa tsy hijinja; ianao dia hanosihosy oliva nefa tsy hihosotra diloilo, ary hanosihosy ranom-boaloboka nefa tsy hisotro divay. Fa fatra-pitandrina ny lalànan’i Omry sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra ianareo, sady manaraka ny toroheviny; noho izany no hanolorako anao ho amin’ny faharavana ary ny mponina ao aminao dia ho zavatra mampisitrisitra ka hitondra ny latsan’ny oloko ianareo. Lozako! Fa efa toy ny mpioty voankazo aho ary toy ny mpitsimpom-boaloboka: Tsy misy salohy hohanina, na aviavy mialin-taona izay mampilendalenda ahy. Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny tsara fanahy; eny, tsy misy marina ao amin’ny olombelona; samy manao vela-pandrika mba handatsa-dra avokoa izy rehetra ary mihaza ny rahalahiny amin’ny harato. Vonona hanao ratsy ny tanany; be fitakiana ny mpitondra, miaina amin’ny kolikoly ny mpitsara ary maneho ny fitsiriritany ny lehibeny, koa izy rehetra dia miray tsikombakomba. Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo. Aza matoky namana ianareo, aza manankim-po amin’ny sakaiza mahazatra fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’ny andefimandrinao aza. Fa ny zanakalahy dia manamavo ny rainy, ny zanakavavy dia mitsangan-kanohitra ny reniny, ary ny vinantovavy dia hanohitra ny rafozambaviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony. Fa izaho kosa dia hiandrandra NY TOMPO, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho. Ny Andriamanitro no hihaino ahy. Aza mifaly amin’ny manjo ahy, ry fahavaloko! Fa na dia lavo aza aho dia mbola hiarina ihany; raha mitoetra ao amin’ny maizina aho dia NY TOMPO no fahazavana ho ahy. Ny fahatezeran’NY TOMPO dia hiaretako ihany satria nanota Taminy aho, ambara-pandahany ny raharahako ka hanomezany rariny ahy; hamoaka ahy ho amin’ny mazava izy ka ho faly aho mahita ny fahamarinany. Hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, dia ilay niteny tamiko hoe: Aiza izay TOMPO Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko rehefa tonga fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy. E, ny andro hananganana ny mandanao, fa amin’izany andro izany dia hitarina ny faritrao. Amin’izany andro izany dia hanatona anao koa ny olona avy any Asiria sy avy any amin’ny tanànan’i Ejipta; eny, hatrany Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata, avy amin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray hafa, avy amin’ny tendrombohitra iray ka hatramin’ny tendrombohitra iray hafa. Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ny mponina eo aminy, noho ny vokatry ny asany. Ny tehinao no aoka hiandrasanao ny olonao, dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any anatin’ny kirihitrala, ao an-tampon’i Karmela. Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny, toy ny tamin’ny andro taloha ela. Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta no hanehoako zava-mahagaga aminy. Hahita izany ny Jentilisa ka ho rakotra henatra na dia mahery toy inona aza izy ireny; hitampim-bava izy, ho tonga marenina ny sofiny. Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; hiala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ny tany izy; NY TOMPO Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra; eny, hatahotra Anao izy. Iza no Andriamanitra tahaka Anao izay manaisotra heloka sady mamela ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy fa tia mamindra fo. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika; eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. Hanefa fahamarinana ho an’i Jakoba Ianao ary famindrampo ho an’i Abrahama, dia ilay nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro taloha ela. Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Ninive, dia ny bokin’ny fahitan’i Nahoma elkosita. Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka NY TOMPO; NY TOMPO dia mpamaly heloka sady feno fahatezerana; NY TOMPO dia mpamaly ny rafilahiny ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony. Mahari-po NY TOMPO sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka. Ao anatin’ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’NY TOMPO; ny rahona dia vovoka avy amin’ny dian-tongony. Miteny mafy ny ranomasina Izy ka mahatankina azy sady mandritra ny ony rehetra; malazo i Basana sy i Karmela ary malazo koa ny vonin’i Libanona. Mihovotrovotra eo anatrehany ny tendrombohitra sady mihotsaka ny havoana; mihorohoro eo anatrehany koa ny tany, dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy. Iza no mahajoro eo anoloan’ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany ary mirodana eo anoloany ny vatolampy. Tsara NY TOMPO, fialofana amin’ny andro fahoriana; mahalala izay mialoka aminy Izy. Fa amin’ny riaka manafotra no anatanterahany fandringanana amin’io toerana io, ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin’ny maizina. Inona no heverinareo hoenti-manohitra NY TOMPO? Fandringanana no hataony, tsy hiverina fanindroany ny fahoriana. Fa na dia toy ny tsilo mifamatopatotra aza ireny sady mamon’ny zava-pisotrony dia ho levona tanteraka toy ny mololo maina izy. Avy tao aminao no nivoahan’ny iray izay misain-dratsy hoenti-manohitra NY TOMPO sady mamoron-kevi-dratsy. Izao no lazain’NY TOMPO: Na dia tsy latsaka isa fa mbola maro aza ireny dia hofongorana ihany izy ka tsy hisy intsony. Efa nampahory anao Aho ka tsy hampahory anao intsony. Fa ankehitriny, hopotehiko ny ziogany ho afaka aminao ary hotapahiko ny famatorana anao. Ary NY TOMPO efa nandidy ny aminao hoe: Tsy hisy intsony taranaka hamelo-maso ny anaranao; halaiko tsy ho ao amin’ny tranon’ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika; hanao fasana ho anao Aho satria hita fa latsa-danja ianao. Indro tonga eny an-tendrombohitra ilay mitondra teny soa mahafaly sady manambara fiadanana! Ankalazao ny andro firavoravoanao, ry Joda, efao ny voadinao; fa tsy handeha hamakivaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, indray ripaka izy rehetra. Misy mpanafika miakatra hamely anao. Ambeno ny manda, tazano ny lalana, mivonòna hiady, mahereza, aoka hitomban-dahy! Fa NY TOMPO efa mampody ny voninahitr’i Jakoba, toy ny ampodiany ny voninahitr’Israely; fa efa nandroba azy ny mpandroba ary nanimba ny sampam-boalobony. Miloko mena ny ampingan’ny lehilahy maheriny, miloko jaky ny fanamian’ny miaramilany, ny kalesy fitondrany miady dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo amin’ny andro fiomanany, ary arangaranga ny lefona. Miriotra eny an-dalambe ny kalesy fitondra miady ka mifamoivoy eny amin’ny toerana malalaka; tahaka ny harendrina no fijery azy, mitsoriaka tahaka ny tselatra izy. Tsaroany ny lehilahy malazany, kanjo tafintohina am-pandehanana ireny; mihazakazaka ho any amin’ny manda ireny, kanjo efa voatsangana hatrany an-tampony ny manda. Novohana ireo vavahadin’ny renirano ary mirodana ny lapa. Izao no iafarany: Ampitanjahina izy dia noentina ho babo, ary mitoloko azy manao feom-boromailala ny mpanompovavy sady miteha-tratra. Hatramin’izay i Ninive dia tahaka ny fitahirizan-drano; kanefa manary rano izy izao. Mijanòna! Mijanòna e! Nefa tsy misy miherika. Mandrobà volafotsy, Mandrobà volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, dia ny habetsahan’ny zavatra sarobidy isan-karazany. Voaroba daholo, potipotika, foana sady lao! Kivy ny fo, mangozohozo ny lohalika, manaintaina ny andilana rehetra, mivaloarika ny tarehy rehetra. Aiza ilay lavaky ny liona sy firembin’ny liona tanora, dia ilay nandehanan’ny lion-dahy sy ny liom-bavy mbamin’ny zanany ka tsy nisy nanaitaitra azy? Ny liona dia mamotipotika izay ilain’ny zanany, manakenda koa mba hanomezany ho an’ny liom-bavy sady mameno haza ny lavaka misy azy sy mameno remby voarotidrotika ny fonenany. Indro, hamely anao Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Holevoniko ho setroka ny kalesy fitondranao miady, hovonoiko amin’ny sabatra ny liona tanoranao; hofongorako amin’ny tany ny hazanao; ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao. Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra! Feno lainga sy loza amin’atambo; tsy ialan-dremby ao aminy. Injany ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon’ny kodiarana! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy fitondra miady! E! Ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fitselatry ny sabatra sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ny voatrabaka sy ny hamaroan’ny voavono! Tsy hita isa ny faty! Eny, voafingampingan’ny faty ny olona. Izany dia noho ny habetsahan’ny fijangajangan’Ikala janga tsara tarehy, sady mpilalao sikidy, izay mivarotra firenena amin’ny fijangajangany sy fokom-pirenena amin’ny ody ratsiny. Indro, hamely anao Aho, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary haingaiko ho amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao ka hasehoko amin’ny firenena ny fitanjahanao ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao. Dia hotsipazako loto ianao ka hataoko tsinontsinona, eny, hataoko fitalanjonana ianao. Ary izay rehetra mijery anao dia handositra anao ka hiteny hoe: Rava i Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao? Ianao va tsara noho i No-Amona, ilay nitoetra teo anelanelan’ny ony ka nohodidinin’ny rano, toy ny ranomasina ny manda manodidina azy? Ny Kosita no heriny tsy hita lany torak’izany koa ny Ejiptiana; ny Lidiana sy ny Libiana no mpanampy azy. Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; ny zanany madinika dia notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra teny; nanaovany antsapaka ny olo-malazany, ary nogadraina ny lehibeny rehetra. Ho mamo koa ianao ka hiafina; hitady fiarovana mafy koa ianao hierenao ny fahavalonao. Ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona ny manda mafinao rehetra: Raha hohozongozonina izy dia hihintsana ao am-bavan’izay hihinana. Indro, vehivavy sisa no olonao ao aminao; midanadana hidiran’ny fahavalonao ny vavahadin’ny taninao; levon’ny afo ny hidinao. Manangòna rano ho anao ho amin’ny fahirano! Hamafiso ny mandanao! Mirotsaha ao amin’ny fotaka ka hosihoseo ho feta izany! Raiso ny lasitra fanaovam-biriky! Any no handevonan’ny afo anao sy handripahan’ny sabatra anao; hohaniny toy ny fihinan’ny valalavao ianao. Mihamaroa toy ny valalavao, mihabetsaha toy ny valala. Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin’ny lanitra ny mpivaro-mandehanao; mipariaka ny valalavao ka lasa manidina. Ny andriananao dia toy ny valala, ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao izay mitoby eny amin’ny fefy raha mangatsiaka ny andro; fa raha miposaka ny masoandro dia lasa manidina izy ka tsy fantatra izay alehany. Rendremana ny mpiandry ondrinao, ry mpanjakan’i Asiria; miampatrampatra ny lehilahy maherinao; aely eny an-tendrombohitra ny olonao ka tsy misy mamory azy. Tsy misy fanafana ny manjo anao, tsy azo sitranina ny ferinao; izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hitehaka; fa iza no tsy efa tratry ny zava-doza nataonao miverimberina? Faminaniana ny loza hanjo, araka izay ahitan’i Habakoka mpaminany. Mandra-pahoviana, RY TOMPO, no hitarainako, ka tsy hohenoinao? Mandra-pahoviana no hitarainako hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany? Nahoana no ataonao mahita haratsiam-panahy aho ary mahajery fampahoriana Ianao? Fa herisetra sy loza no eo anatrehako, misy ady sady misy ny fifandirana. Noho izany dia tsy manan-kery intsony ny lalàna ary tsy mivoaka mihitsy ny rariny; fa tsy mahatohitra ny ratsy fanahy ny marina ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra. Jereo any amin’ny Jentilisa ka diniho, ary aoka ianareo ho gaga fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo. Fa indro, atsangako ny Kaldeana, ilay firenena lozabe sady mirehidrehitra, izay mitety ny tany rehetra mba hahazoany fonenana izay tsy azy akory. Mahatsiravina sy mahatahotra izy; avy amin’ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany. Haingam-pandeha noho ny leoparda ny soavaliny sady masiaka noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny kalesy fitondra miady ny mpitaingin-tsoavaliny; eny, avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny; manidina toy ny voromahery maika hihinana izy. Hampidi-doza no iavian’izy rehetra, ny handroso ihany no imatimatesany ka manangona babo toy ny fasika izy. Manakora ny mpanjaka izy ary ihomehezany ny mpanapaka eo aminy. Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany ka manandratra tovon-tany izy ary mahafaka izany. Dia mihelina toy ny rivotra izy ary mandroso ka mahazo heloka, izany heriny izany no andriamaniny. Moa tsy hatrizay hatrizay va Ianao, RY TOMPO Iray Masina Andriamanitro? Tsy ho faty Ianao! TOMPO ô, ho amin’ny fitsarana no nanendrenao ireny; ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy. Ianao izay madio maso ka tsy ta hahita ny ratsy ary tsy mahazaka mijery fampahoriana, nahoana Ianao no mijery ny mpamitaka? Nahoana no mangina Ianao raha mandrapaka ny marina noho izy ny ratsy fanahy? Mitondra ny olona toy ny hazandrano any an-dranomasina sy toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy manam-panapaka Ianao. Aingainy amin’ny fintana izy rehetra, samboriny amin’ny haratony ary sarihiny amin’ny harato tarihiny ka faly sy ravoravo izy. Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ny harato tarihiny, fa ireo no ahazoany anjara matavy sy hanina matsiro. Koa noho izany, moa va hanaisotra ny ao amin’ny tandrohony izy ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra? Hitsangana eo ambonin’ny toerana fiambenako Aho ary hijoro eo ambonin’ny manda; hiandry Aho mba hahitako izay holazainy Amiko sy izay havaliko amin’ny fitarainako. Dia namaly ahy NY TOMPO hoe: Soraty ny fahitana ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fafana mba ho azon’izay mihazakazaka mamaky. Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoana voatendry, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy dia andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. Indro, feno avonavona ireny; tsy mahitsy ny fanahiny ao anatiny, fa ny marina kosa dia ho velon’ny finoany. Eny tokoa, mamitaka ny divay. Tsy mba mahatoetra ny lehilahy miavonavona, dia ilay mitanatana vava tahaka ny fitoeran’ny maty; eny, toy ny fahafatesana ka tsy mety voky. Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy izy sady mamory ny olona rehetra ho ao aminy. Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto olona rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy? Izao no holazainy: Lozan’izay mahery manangona ny tsy azy! Mandra-pahoviana? Dia izay mivesatra tombon-trosa tsy voaloa ara-potoana. Tsy hitsangana tampoka va ny tompon-trosa? Tsy hifoha va ireo izay hampijaly anao? Ho babony ianao! Fa efa namabo firenena maro ianao ka mba hobaboin’ny sisa rehetra amin’ny firenena kosa, noho ny ran’olona sy ny herisetra natao tamin’ny tany, dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy. Lozan’izay fatra-pila harena amin’ny tsy marina ho an’ny taranany, hanaovany ny akaniny any amin’ny avo mba tsy ho tratry ny tanan’ny loza! Izay hahatonga henatra ho an’ny taranakao no noheverinao, dia ny handringanana firenena maro; niantso loza hihatra amin’ny ainao ianao. Fa hitaraina ny vato ao amin’ny rindrina ary ny sakamandimby ao amin’ny trano no hamaly azy. Lozan’izay manangana vohitra amin’ny fandatsahan-dra sy manorina tanàna amin’ny tsy fahamarinana! Moa tsy avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao va no hisasaran’ny olona ho an’ny afo sy hisahiranan’ny firenena amin’ny zava-poana? Fa ho feno ny fahalalana ny voninahitry NY TOMPO ny tany, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. Lozan’izay mampisotro toaka ny namany, dia ianao izay manome poizina ka mampahamamo azy mba hijery ny fitanjahany! Efa feno henatra ianao fa tsy voninahitra; mba misotroa koa ka asehoy ny fitanjahanao! Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’NY TOMPO, ary fahamenarana no ho solon’ny voninahitrao. Fa hanody anao ny herisetra natao tamin’i Libanona sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, noho ny ran’olona sy ny herisetra natao tamin’ny tany, dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy. Inona moa no ilàna ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra voarendrika sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona azy ka manao sampy moana aminy? Lozan’izay miteny amin’ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? E! voapetaka takelaka volamena sy volafotsy ihany izy, nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny. NY TOMPO dia ao amin’ny tempoliny masina. Aoka hangina eo anatrehany ny tany rehetra! Ny vavaka nataon’i Habakoka mpaminany, araka ny fomban’ny fitarainana. TOMPO ô, efa reko ny filazana momba Anao ka raiki-tahotra aho, RY TOMPO. Tanteraho amin’ny fotoanany ny asanao; ataovy fantatra amin’ny fotoanany izany! Na dia tezitra aza Ianao dia tsarovy ny indrafonao! Tonga avy any Temana Andriamanitra, dia ny Iray masina avy any an-tendrombohitra Parana. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary manenika ny tany ny fiderana Azy. Misy famirapiratana toy ny mazava ary misy tana-masoandro avy eo amin’ny tanany; ao no fieren’ny heriny! Eo alohany no andehanan’ny areti-mandringana ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aorianany. Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; mijery Izy ka mampangovitra ny firenena. Torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, mietry ny havoana fahagola sy ny lalana tranainy falehany. Mahita ny tranolain’i Kosana azom-pahoriana sy ny ambaindain’ny tany Midiana mipararetra aho. Moa amin’ny ony va no irehetan’ny hatezeran’NY TOMPO? Amin’ny ony va no fahatezeranao, na amin’ny ranomasina va no ahasosoranao, no dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pandresenao Ianao? Nalan-tsarona ny tsipìkanao; ny fianiananao no tsipìkan’ny teninao. Nampitresaka ny tany Ianao mba hisy ony. Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, miloa-peo ny lalina sady manangan-tanana ho amin’ny avo. Ny masoandro sy ny volana dia nijanona teo amin’ny toerany, noho ny fahazavan’ny zana-tsipìkanao mitsoriaka sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra. Amin’ny fahatezeranao no itetezanao ny tany; amin’ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena. Mivoaka hamonjy ny olonao Ianao, hamonjy ny Voahosotrao. Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ny ratsy fanahy ka rava hatrany am-potony ka hatrany an-tampony. Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ireo miaramilany betsaka izay avy toy ny tadio hanely ahy; sady mifaly handripaka ny mahantra ao amin’ny mangingina izy. Mitety ny ranomasina amin’ny soavalinao Ianao, dia eny amin’ny ranobe miavovona. Nony nandre aho dia mandevilevy ny ato anatiko; ny molotro dia mipararetra noho ny feo; azon’ny fahalovana ny taolako ary mangovitra tsy afa-mihetsika aho eo am-piandrasana ny andro fahoriana, izay hiakaran’ny mpiantafika hamely ny olona. Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mandiso fanantenana aza ny oliva ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy omby ao am-pahitra, izaho kosa dia mbola hiravoravo amin’NY TOMPO ihany sy hihoby amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. NY TOMPO Andriamanitra no tanjako, manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako. Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona mpanjakan’ny Joda: Haringako tsy ho eny ambonin’ny tany tokoa ny zavatra rehetra, hoy NY TOMPO; eny, haringako ny olona sy ny biby; haringako ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ny ratsy fanahy; haringako tsy ho eo amin’ny tany ny olona, hoy NY TOMPO. Manainga ny tanako Aho mba hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho eo amin’ity toerana ity ny sisa amin’ny Baala sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamanitra tsy izy mbamin’ny tena mpisorona ary izay mivavaka any an- tampon-trano amin’izay eny amin’ny lanitra sy izay miankohoka sy mianiana fa an’NY TOMPO nefa koa mianiana amin’i Milkoma, mbamin’izay nihemotra niala tamin’NY TOMPO sy izay tsy nitady NY TOMPO na nila hevitra taminy. Mangina eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO; ary NY TOMPO efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra ka efa nanamasina ny olona nasainy. Ary raha tonga amin’ny andro hamonoan’NY TOMPO zavatra hatao fanatitra dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka, mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa. Amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, dia ireo mameno herisetra sy fitaka ny tranon’ny Tompony. Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hisy feo re mitaraina avy any amin’ny Vavahadin-kazandrano sy fidradradradrana avy ao amin’ny Tanàna ambany ary fidarabohana miezinezina any amin’ny havoana. Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy! Fa ringana avokoa ny mpivaro-mandeha rehetra; eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. Amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro i Jerosalema, koa hovaliako ny olona izay efa lefy toy ny divay misy faikany, dia izay miteny anakampo hoe: Sady tsy hanao soa NY TOMPO no tsy hanao ratsy. Ho tonga babo ny fananan’ireny ary ho lao ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy nefa tsy hisotro ny divay avy aminy. Efa antomotra ny Andro lehiben’NY TOMPO; eny, efa antomotra sady miha haingana indrindra. Injany ny feon’ny Andron’NY TOMPO, mitomany mafy any ny lehilahy mahery. Andron’ny fahatezerana izany andro izany, andron’ny fahoriana sy tebiteby, andron’ny fandringanana sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito. Andron’ny feon’ny anjomara sy ny horakoraka, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda. Hampahory ny olona Aho: Handeha toy ny jamba izy satria efa nanota tamin’NY TOMPO; haely toy ny vovoka ny rany, ary ho toy ny fako ny fatiny. Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; fa ny afon’ny fahasaro-piarony no handevonany ny tany rehetra; fa fahafonganana tena mahatsiravina no hataony amin’ny mponina amin’ny tany. Miangòna; eny, mivoria ianareo ry firenena tsy manan-kenatra, dieny tsy mbola mihatra ny didy, fa mihelina toy ny akofa ny andro, dieny tsy mbola tonga aminareo ny hamafin’ny hatezeran’NY TOMPO; eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO! Mitadiava NY TOMPO ianareo mpanetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny! Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fanetren-tena! Angamba ho voafina ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO. Fa hafoy i Gaza, ho lao i Askelona; horoahina mitataovovonana i Asdoda ary hofongorana i Ekrona. Lozan’ny mponina any amoron-tsiraka, dia ny firenen’ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Kanana, tanin’ny Filistina, haringako tsy hisy mponina eo aminao! Ny moron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, ho toeram-piandrasan’ny mpiandry ondry sy ho valan’ondry aman’osy. Ho tanin’ny sisa amin’ny taranak’i Joda izany ka any no hiandrasany ondry. Ao amin’ny tranon’i Askelona no handriany amin’ny hariva, fa NY TOMPO Andriamaniny no hamangy azy ka hampody azy avy amin’ny fahababoany. Efa reko ny latsa ataon’i Moaba sy ny fanaratsiana ataon’ny taranak’i Amona izay nandatsany ny oloko sy nireharehany teny amin’ny sisintaniny. Koa raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, dia ho tahaka an’i Sodoma tokoa i Moaba, ary ny taranak’i Amona dia ho tahaka an’i Gomora, ho toerana feno ahi-dratsy sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; ny sisa amin’ny oloko no hamabo azy ary ny sisa amin’ny fireneko no hahalasa azy. Izany no ho valin’ny avonavony satria nandatsa ny olon’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, sy nirehareha taminy izy. Hahatahotra azy NY TOMPO satria hanafoana ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany Izy; hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO ny nosin’ny Jentilisa rehetra, samy any amin’ny fitoerany avy. Ianareo Kosita koa, ho voatrobaky ny sabatro ianareo. Hanainga ny tanany hamely ny avaratra Izy ka handringana an’i Asiria; hahalao an’i Ninive ho karankaina tahaka ny tany efitra Izy. Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera. Izany no tanàna niravoravo sady nandry fehizay, izay niteny anakampo hoe: Izaho no izy ary tsy misy hafa! Endre! Tonga lao izy; eny, fandrian’ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisiotsioka mafy sy hanondro tanana azy. Lozan’ny tanàna mikomy sady voaloto, dia ilay mampahory! Tsy nihaino ny feo izy na nino anatra; tsy nitokiany NY TOMPO, tsy nanatona an’Andriamaniny izy. Ireo lehibe ao aminy dia liona mierona. Ny mpitsarany dia ny amboadia hariva izay tsy mamela ho tra-maraina. Ny mpaminaniny dia avo vava sady mpamitaka. Ny mpisorony dia mandoto izay masina; eny, manitsakitsaka ny lalàna izy. NY TOMPO no marina ao afovoany, tsy manao izay tsy marina Izy. Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava ka tsy mba diso izany; nefa tsy mba mahalala henatra ny olona tsy marina. Efa nahafongana firenena Aho, rava ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda; nosimbako ny lalany ka tsy hisy mpandeha! Rava ny tanànany ka tsy misy olona; eny, tsy misy mponina. Hoy Aho: Raha mba natahotra Ahy tokoa mantsy ianao ka nino anatra dia tsy ho rava ny fonenanao araka izay rehetra namelezana anao. Kanefa nifoha vao maraina izy ka nanao izay ratsy rehetra. Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ambara-piavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho mba hanamparako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra; koa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra. Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’NY TOMPO sy hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina. Avy any andafin’ny onin’i Etiopia no hitondran’ny mpivavaka Amiko, dia ny zanakavavin’ireo izay naeliko, ny fanatitra ho Ahy. Amin’izany andro izany dia tsy hitsanga-menatra ianao ny amin’izay nataonao rehetra, izay nanotanao Tamiko; fa hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana ary tsy hiavonavona ao amin’ny tendrombohitro masina intsony ianao. Nefa hamelako olona mahantra sy madinika ihany ao aminao ary ny anaran’NY TOMPO no hialofany. Tsy hanao heloka na handainga intsony ny sisa amin’ny Israely. Tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany fa ho afaka mihinana sy mandry izy ka tsy hisy hanaitaitra azy. Mihobia, ry Ziona zanakavavy! Manaova feo fifaliana, ry Israely! Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao manontolo, ry Jerosalema zanakavavy! NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao. NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony ianao. Amin’izany andro izany dia holazaina amin’i Jerosalema hoe: Aza matahotra ry Ziona; eny, aza miraviravy tanana! NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy; hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy; hangina amin’ny fitiavany Izy; hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy. Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa. Amin’izany andro izany dia hasiako izay rehetra nampahory anao; hovonjeko ny mandringa ary hovoriko ny noroahina. Hataoko ho fiderana sy ho voninahitra ireny, any amin’ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra. Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miverina; eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo. Fa hataoko ho voninahitra sy ho laza any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ianareo, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy NY TOMPO. Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy mpanjaka no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, nilaza hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ity firenena ity dia niteny hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana tokony hananganana indray ny tranon’NY TOMPO. Dia tonga ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe: Moa fotoana tokony hitoeranareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa ity trano ity dia rava? Koa ankehitriny dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hevero ny lalanareo. Namafy be ianareo nefa kely no azo avy amin’izany; mihinana ianareo nefa tsy voky; misotro ianareo nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hevero ny lalanareo. Miakara any an-tendrombohitra ka makà hazo, ary ataovy ny Trano dia hankasitrahako izany sady hankalazaina Aho, hoy NY TOMPO. Nanampo be ianareo kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo ho any an-trano dia notsofiko indray. Nahoana? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo dia samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy. Noho izany dia nitsahatra tsy hampilatsaka ando ny lanitra eo amboninareo ary nitsahatra tsy hahavokatra ny tany. Niantso ny hain-tany Aho hamely ny tany, ny tendrombohitra, ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo ary izay vokatry ny tany sy ny olona ary ny biby fiompy mbamin’izay rehetra efa nisasaran’ny tanana. I Zerobabela, zanak’i Seltiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny vahoaka, dia nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sy ny tenin’i Hagay mpaminany, araka ny efa nanirahan’NY TOMPO Andriamaniny azy; ary natahotra teo anatrehan’NY TOMPO ny olona. Ary nambaran’i Hagay, iraky NY TOMPO, ny teny nampitondrain’NY TOMPO ho amin’ny olona hoe: Izaho no momba anareo, hoy NY TOMPO. Dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, ary ny fanahin’ny sisa rehetra amin’ny vahoaka. Dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’Andriamaniny, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy izany. Tamin’ny andro fahiraika amby roapolo tamin’ny volana fahafito no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO noentin’i Hagay mpaminany hoe: Lazao amin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, ary amin’ny sisa amin’ny vahoaka hoe: Iza aminareo mbola velona no nahita ity trano ity tamin’ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy ankehitriny? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va izy ity? Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela! Hoy NY TOMPO. Mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe! Mahereza, ianareo vahoaka rehetra! Hoy NY TOMPO. Miasà! Fa Izaho no momba anareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, araka ny tenin’ny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Ejipta ianareo, ary ny Fanahiko dia mitoetra ao aminareo; koa aza matahotra ianareo! Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indray maka indray, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra ka ho avy izay zava-tsoan’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Ahy ny volafotsy ary Ahy ny volamena, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Ny voninahitr’ity trano ity amin’ny ho avy dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Miangavy anao Aho, andeha maka hevitra amin’ny mpisorona hoe: Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo, na izay nahandroina na ny divay na ny diloilo na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Tsia! Ary hoy i Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Ho tonga maloto ireo. Dia hoy i Hagay: Tahaka izany ireto olona ireto ary tahaka izany ity firenena ity eo anatrehako, hoy NY TOMPO. Tahaka izany koa ny asan’ny tanany rehetra, fa izay ateriny ao dia maloto. Koa miangavy anareo aho, hevero ny amin’izay hiseho hatramin’izao andro anio izao no ho mankarỳ. Fony tsy mbola nisy vato voarafitra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO, tamin’izany andro izany, raha nisy nankeo amin’ny antontam-bary tokony ho roapolo famarana, dia folo ihany no tao; raha nisy nankeo amin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimampolon’ny famarana dia roapolo ihany no tao. Ny vary main’ny hafanana sy maty fotsy ary ny havandra no namelezako anareo tamin’ny asan’ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina Tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO. Miangavy anareo aho, hevero izay hiseho hatramin’izao andro anio izao no ho mankarỳ, hatramin’ny andro fahefatra amby roapolo amin’ny volana fahasivy; eny, hatramin’ny andro nanorenana ny tempolin’NY TOMPO, hevero izany! Mbola misy voan-javatra ihany va ao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka, ny aviavy, ny ampongabendanitra ary ny oliva aza dia tsy mbola nisy namoa. Hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo. Tonga fanindroany tamin’i Hagay ny tenin’NY TOMPO, tamin’ny andro fahefatra amby roapolo hoe: Lazao amin’i Zerobabela governora any Joda hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany; haongako ny sezafiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; haongako ny kalesy fitondra miady sy izay mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Amin’izany andro izany hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao dia horaisiko ianao ry Zerobabela mpanompoko, zanak’i Sealtiela, hoy NY TOMPO. Hataoko toy ny fitombo-kase ianao satria ianao no efa nofidiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Tamin’ny volana fahavalo tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy no tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe: Tezitra indrindra tamin’ny razanareo NY TOMPO. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Miverena amiko ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Aza mba toy ny razanareo izay nantsoin’ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ianareo! Nefa tsy nankatò na nihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO. Ny razanareo, aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany, moa velona mandrakizay va ireny? Fa ny teniko sy ny didiko izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Dia niverina izy ireny ka niteny hoe: Araka izay nosainin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hatao amintsika araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika. Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe: Nahita tamin’ny alina aho fa indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny amin’ny lohasaha lalina, ary teo aorianany dia nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. Dia hoy aho: Tompoko ô, midika inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ireo. Ary hoy Ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra: Ireo dia nirahin’NY TOMPO hivezivezy eny amin’ny tany. Ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia niteny tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO izay nijoro teny amin’ny rotra hoe: Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay, ary indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fehizay. Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO: E, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’i Joda, izay efa notezeranao fitopolo taona izao? Dia novalian’NY TOMPO teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko. Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Ataovy antso avo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Jerosalema sy i Ziona Aho. Ary tezitra indrindra Aho amin’ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ny indrafo Aho; ny tranoko dia haorina eto, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny kofehy fandrefesana dia hohenjanina eto Jerosalema. Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary NY TOMPO hampionona an’i Ziona, ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray. Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka efatra. Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka an’i Joda sy an’i Israely ary an’i Jerosalema. Ary nanehoan’NY TOMPO mpanefy efatra aho. Dia hoy aho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy niteny hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda ka tsy nisy olona nanandratra ny lohany; fa ireto kosa dia avy hampatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’i Joda hanely azy. Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indro, lehilahy iray mitondra kofehy fandrefesana eny an-tanany. Dia hoy aho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’i Jerosalema aho mba hizaha ny sakany sy ny lavany. Ary indro, nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray hafa nandroso hitsena azy ka niteny taminy hoe: Mihazakazaha ka milazà amin’io zatovo io hoe: Hijanona ho tanàna tsy mimanda i Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy. Fa Izaho no ho manda afo manodidina azy, hoy NY TOMPO, ary ho voninahitra ao afovoany. E! E! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy NY TOMPO; ianareo izay naeliko tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra, hoy NY TOMPO. E! Vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina any Babilona zanakavavy! Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay naniraka ahy hampiseho voninahitra tany amin’ireo firenena izay namabo anareo: Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko. Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy. Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy! Fa indro, avy Aho ka honina ao afovoanao, hoy NY TOMPO. Firenena maro no hanaiky ho an’NY TOMPO amin’izany andro izany. Ho oloko izy, ary hitoetra ao afovoanao Aho; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao. Ary NY TOMPO hanana an’i Joda ho anjarany ao amin’ny tany masina ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray. Mangìna eo anatrehan’NY TOMPO, ry nofo rehetra! Fa mifoha avy ao amin’ny fitoerany masina Izy. Ary nasehony ahy fa indro, i Josoa mpisoronabe dia nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’NY TOMPO, ary i Satana nitsangana teo ankavanany hiampanga azy. Ary hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Hananatra anao anie NY TOMPO, ry Satana! Eny, NY TOMPO izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao! Tsy forohana nosarihana tamin’ny afo va ity? Ary i Josoa dia nijoro teo anoloan’ilay Anjely tamin’ny fitafiana maloto. Dia niteny tamin’ireo izay nitsangana teo anoloany NY TOMPO hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto! Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao. Ary hoy aho: Aoka hasiana fehiloha madio eo an-dohany! Dia nasiany fehiloha madio teo an-dohany sady nampitafiany izy. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanao izao fanambaràna izao tamin’i Josoa hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mizotra amin’ny lalako ianao ary mitandrina ny didiko dia ianao no hanam-pahefana amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako sady homeko lalana malalaka ho eo amin’ireo mijoro ireo ianao. Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao, fa olona atao famantarana ireo: Indro, entiko i Rantsana Mpanompoko. Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa: Misy masony fito io vato tokana io. Indro, Izaho no hanoratra izay tokony hosoratina eo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary hesoriko amin’ny indray andro monja ny helok’ity tany ity. Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo. Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory. Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy aho: Hitako fa indro, misy fitoeran-jiro izay volamena izy manontolo, ary ny fitoeran-diloilo eo aminy dia eo amboniny, ary jiro fito no eo an-tampony. Misy fantsona fito avy amin’ny jiro tsirairay izay eo an-tampony. Ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny iray dia eo ankavanan’ny fitoeran-diloilo, ary ny iray dia eo ankaviany. Dia niteny tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanontany ahy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy aho: Tsia, tompoko. Dia hoy izy: Izao no tenin’NY TOMPO amin’i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela ianao. Izy no hitondra ny vato hatao tendrony sady hisy antsoantso hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! Dia tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ny tanan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao. Fa iza no nanamavo ny andro anaovana asa madinika? Ho faly ny olona mahita ny pilao eny an-tanan’i Zerobabela. Ireo fito ireo dia ny mason’NY TOMPO izay mijery manerana ny tany rehetra. Dia nanontany Azy aho hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ny fitoeran-jiro sy eo ankaviany ireo? Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo? Dia hoy izy: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy aho: Tsia, tompoko. Dia hoy izy: Ireo ny roalahy izay voahosotra amin’ny diloilo; ireo no mijoro eo anoloan’ny Tompon’ny tany rehetra. Dia natopiko indray ny masoko ka hitako fa indro, horonan-taratasy manidina iray. Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy aho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roapolo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ny tany rehetra; araka izany, izay rehetra mangalatra dia horoahina tsy ho eto; araka izany koa, izay rehetra manao fianianana tsy marina dia horoahina tsy ho eto. Avelako handeha izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ao an-tranon’izay manao fianianana mandainga amin’ny anarako ary hitoetra ao amin’ny tranony ka handevona izany mbamin’ny hazo sy ny vato eo aminy. Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko ka niteny tamiko hoe: Atopazy ny masonao ka jereo io zavatra miseho io. Dia hoy aho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io miseho io dia vata famarana. Hoy koa izy: Izao no hita any amin’ny tany rehetra. Ary indro, nisy takelaka firaka boribory niainga ho azy ka nisy vehivavy iray nipetraka tao anatin’ilay vata famarana Ary hoy izy: Io ny Faharatsiam-panahy. Dia natontany tao anatin’ny vata famarana ilay vehivavy ary natontany teo am-bavan’ny vata famarana ilay vongam-piraka. Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ilay vata famarana. Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ireto ny vata famarana? Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany dia hapetraka eo amin’ny toerana fipetrahany izy. Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa indreo, kalesy fitondra miady efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo. Tamin’ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ny kalesy faharoa dia soavaly mainty; tamin’ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ny kalesy fahefatra dia soavaly sada sady matanjaka. Dia nanontany tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho hoe: Inona moa ireo, tompoko? Ary ilay anjely namaly ahy hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay miroso rehefa avy nijoro teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra. Ny kalesy misy ny soavaly mainty dia miroso mankany amin’ny tany avaratra; ny misy ny soavaly fotsy dia miroso manaraka azy; ny misy ny sada dia mivoaka mankany amin’ny tany atsimo. Matanjaka izy ireo ary miroso ka mitady handeha hivezivezy eny amin’ny tany; dia hoy NY TOMPO: Mandehana ianareo, miveziveze eny amin’ny tany! Dia nandeha nivezivezy teny amin’ny tany ireo kalesy. Dia niantso mafy tamiko NY TOMPO hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankany amin’ny tany avaratra dia nampionona ny fahatezerako tany amin’ny tany avaratra. Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe: Mandraisa avy amin’ny fananan’ny babo, dia avy amin’ny fananan’i Helday sy i Tobia ary i Jedaia, eny, mandehana ianao izao anio izao ihany ka midira ao an-tranon’i Josia, zanak’i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babilona izy. Eny, mandraisa volafotsy sy volamena ka anaovy satroboninahitra izany dia apetraho eo an-dohan’i Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe. Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro ny Lehilahy atao hoe Rantsana; amin’ny androny dia hitsimoka ny zava-drehetra sady hanao ny tempolin’NY TOMPO izy. Eny, Izy no hanao ny tempolin’NY TOMPO ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ny sezafiandrianany; hisy mpisorona hafa koa eo amin’ny sezafiandrianany ary hisy fihavanana tanteraka amin’izy roa. Ary ny satroboninahitra dia ho ao amin’ny tempolin’NY TOMPO, ho fahatsiarovana ho an’i Helema, i Tobia, i Jedaia ary i Henà, zanak’i Zefania. Ary izay lavitra dia ho avy ka hanangana ny tempolin’NY TOMPO ka ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo. Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy na Kisleo. Ary i Betela-Serezera sy i Regema-Meleka mbamin’ny olony dia nandefa iraka mba hifona amin’NY TOMPO ka hiteny amin’ny mpisoron’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy amin’ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ny volana fahadimy va aho ka hifady hanina toy ny efa fanaoko taona maro teo aloha? Dia tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe: Lazao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany sy amin’ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy ny fahafito nandritra ny fitopolo taona ianareo, moa ho Ahy tokoa no nifadianareo? Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro? Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’NY TOMPO nantsoin’ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fehizay i Jerosalema sy ny vohitra miankina aminy, sady nonenana koa i Negeva sy i Sefela? Ary tonga tamin’i Zakaria ny tenin’NY TOMPO hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Manaova fitsarana marina ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy. Aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra, ary aza mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo. Nefa tsy nety nihaino ireny fa nampihemotra ny sorony ary nanentsin-tadìny izy mba tsy handre. Eny, nataony mafy toy ny diamondra ny fony mba tsy hihainoany ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tamin’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa izany no nahatonga ny fahatezerana mafy avy tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa toy ny niantsoan’NY TOMPO, nefa tsy nohenoiny, dia ho toy izany kosa no hiantsoany Ahy fa tsy hohenoiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, fa naeliko tamin’ny tafio-drivotra ho any amin’ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany izay navelany tao aorianany ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy. Ary tonga ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Ziona Aho, eny, saro-piaro ny aminy, amin’ny fahatezerana mafy Aho. Izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’i Jerosalema; ary i Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hatao hoe Tendrombohitra masina. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema, samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany; ary ny kianja malalaka ao amin’ny tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny amin’ny kianja. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mahagaga izany eo imason’ny sisa tavela amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, mamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy avy any amin’ny tany andrefana Aho; hitondra azy Aho ka honina ao afovoan’i Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aoka hatanjaka ny tananareo, dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao, avy amin’ny vavan’ny mpaminany izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, mba hanorenana ny tempoly. Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra. Fa amin’izao kosa dia tsy ho toy ny tamin’ny fahiny intsony amin’ny sisa amin’ity firenena ity Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Fa hamafy amin’ny fiadanana ny olona: Ny voaloboka dia hamoa, ny tany dia hahavokatra, ny lanitra dia hampilatsaka ny andony ary ny sisa amin’ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. Ary toy ny nahatonga anareo ho fanozonana tany amin’ny Jentilisa, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Israely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo ka ho tonga fitahiana kosa ianareo. Aza matahotra fa mahereza ianareo! Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary tsy nanenina Aho, dia ho toy izany kosa no niovako hevitra ka nisainako hanisy soa an’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda amin’izao andro izao. Aza matahotra ianareo! Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo ary aza tia fianianana mandainga; fa izany rehetra izany dia halako, hoy NY TOMPO. Ary tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny volana fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ny taranak’i Joda. Fa aoka ianareo ho tia ny fahamarinana sy ny fiadanana. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho tonga; ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray dia hankany amin’ny tanàna iray hafa ka hiteny hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’NY TOMPO sy hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Izaho koa dia mba handeha! Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, any Jerosalema sy hifona amin’NY TOMPO. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samihafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy iray ka hiteny hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa renay fa momba anareo Andriamanitra. Teny faminaniana. Tonga any amin’ny faritanin’i Hadraka ny tenin’NY TOMPO ary miato any Damaskosy izany. Fa ny mason’NY TOMPO mandinika ny olombelona mbamin’ny foko rehetra amin’ny Israely sy i Hamata koa, izay mifanolotra aminy, i Tiro sy i Sidona koa, izay manana fahendrena be. I Tiro dia nanao manda mafy ho an’ny tenany ka nanangona volafotsy ohatra ny vovoka sy volamena tsara ohatra ny fotaka eny an-dalambe. Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany sady harodany any an-dranomasina ny mandany ary ho levon’ny afo izy. I Askelona dia hahita izany ka ho raiki-tahotra, i Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, ary i Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza ary i Askelona tsy honenana. Zazasary no honina ao Asdoda ary hopotehiko ny reharehan’ny Filistina. Hesoriko eny am-bavany ny rany ary tsy ho eny anelanelan’ny nifiny ny fahavetavetany; ary izy koa dia ho sisa ho an’Andriamanitsika sy ho toy ny lohany amin’i Joda, ary i Ekrona dia ho toy ny Jebosita. Manangana toby hiaro ny tranoko Aho noho ny miaramila betsaka, dia izay mandroso sy miverina; mba tsy hisy mpampahory handeha hamakivaky eo aminy intsony; fa ankehitriny dia ny masoko no miambina azy. Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy! Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao. Marina Izy sady mpandresy, manetry tena sady mitaingina boriky, boriky tanora, zanaky ny borikivavy. Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima, na soavaly any Jerosalema; hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana. Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa Izy; ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany. Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotra ao aminao avy tao an-davaka tsy misy rano. Miverena ho amin’ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio koa no hanambarako hoe: Hanonitra avo roa heny ho anao Aho. Fa nohenjaniko ny tsipìkako, dia i Joda, ary i Efraima no nataoko zana-tsipìka; ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ny zanakao, ry Gresy! Hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao. Ary NY TOMPO hiseho eo amboniny ka handeha toy ny tselatra ny zana-tsipìkany; NY TOMPO Andriamanitra hitsoka anjomara ka handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hiaro ireny; dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’antsamotady; ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ny divay ary ho feno tahaka ny lovia famafazana ireny, tahaka ny zoron’ny alitara. Amin’izany andro izany NY TOMPO Andriamaniny dia hamonjy ny olony toy ny famonjy andian’ondry; fa ireny no vato eo amin’ny satroboninahitra, mamirapiratra eny amin’ny taniny. Akory ny hasoany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, ary ranom-boaloboka kosa no hampaharoroka ny zazavavy. Mangataha ranonorana amin’NY TOMPO ianareo amin’ny andron’ny faraorana! NY TOMPO no manao ny oram-baratra. Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny. Fa ny terafima dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry. Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako ary ireo osilahy no hovaliko; Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namangy ny taranak’i Joda, ondry andrasany, ka manao azy toy ny soavaliny miravaka ao amin’ny ady. Avy ao aminy no hiavian’ny vato fehizoro, avy ao aminy no hiavian’ny tsatòkan’ny tranolay, avy ao aminy no hiavian’ny tsipìka fiadiana, avy ao aminy no hiavian’ny mpitarika rehetra. Ho toy ny lehilahy mahery ireo, izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady; hiady izy, satria NY TOMPO no momba azy; ary ny mpitaingin-tsoavaly dia hitafy henatra. Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hovonjeko ny taranak’i Josefa ka hampodiko indray, satria mamindra fo aminy Aho ka ho toy izay tsy nariako izy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny ka hihaino azy. Ho toy ny lehilahy mahery i Efraima, ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony; hahita ny zanany ka ho faly; hifaly amin’NY TOMPO ny fony. Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, satria manavotra azy Aho ka mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy. Ary na dia hafafiko any amin’ny Jentilisa aza izy dia hahatsiaro Ahy any amin’ny tany lavitra; samy ho velona izy mbamin’ny zanany ary hiverina. Dia hampody azy avy any amin’ny tany Ejipta Aho sy hanangona azy avy any Asiria; ary any amin’ny tany Gileada sy Libanona no hampidirako azy ka tsy ho omby azy izany. Dia hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; hamely ny onjan-dranomasina NY TOMPO. Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra; haetry ny avonavon’i Asiria ary hesorina ny tehina fanapahan’i Ejipta. Dia hampahereziko ao amin’NY TOMPO izy ka amin’ny anarany no handehanany, hoy NY TOMPO. Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô, handevonan’ny afo ny sederanao! Midradradradrà, ry hazo kipreso, fa nianjera ny sedera! Eny, fongotra ireo avo be! Midradradradrà, ianareo oaka any Basana fa ripaka ny ala mikirindro! Injany ny fidradradradran’ny mpiandry ondry fa rava ny voninahiny; Injany ny fieron’ny liona tanora fa rava ny kirihitrala eny amoron’i Jordana. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitro: Andraso ny ondry izay entina hovonoina! Ireo mpividy azy dia mamono azy, nefa tsy mahatsiaro-tena ho meloka akory izy amin’izany; ary ny mpivarotra azy dia miteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO fa manankarena aho! Ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy. Fa tsy hiantra ny mponina amin’ny tany intsony Aho, hoy NY TOMPO. Fa indro, Izaho hanolotra ny olona samy ho eo an-tanan’ny namany avy ary samy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy; hanapotika ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka azy amin’ny tanany Aho. Dia niandry ny ondry izay noentina hovonoina, izay avy tamin’ny mpivarotra, aho. Ary naka tehina roa aho, ny iray dia nataoko hoe Fahasoavana ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana. Dia nandrasako ny ondry. Ary nandringana ny mpiandry ondry telo tamin’ny iray volana aho fa tsy nahatsindry fo taminy intsony sady tofoka ahy koa ireo. Dia hoy aho: Tsy hiandry anareo intsony aho! Izay ho faty dia aoka ho faty ary izay ho ringana dia aoka ho ringana ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy! Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny firenena rehetra. Ary tapaka tamin’izany andro izany iny, koa fantatry ny mpivarotra izay niambina ahy fa tenin’NY TOMPO izany. Dia hoy aho taminy: Raha sitrakareo dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany dia ajanòny. Dia nolanjainy ny karamako ka sekela volafotsy telopolo. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Atsipazo any amin’ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekela volafotsy telopolo ka natsipiko tany amin’ny mpanefy tanimanga tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia notapahiko koa ilay tehiko Fikambanana mba hanafoanako ny firahalahian’i Joda sy Israely. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ny mpiandry ondry adala. Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. Lozan’ny mpiandry ondry tsy mahomby, izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hamely ny sandriny sy ny masony havanana! Halazo tokoa ny sandriny ary ho pahina tokoa ny masony havanana! Teny faminaniana. Tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely. Hoy NY TOMPO, izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ny tany ary nanamboatra ny fanahin’ny olona ao anatiny: Indro, Izaho hanao an’i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ny firenena rehetra manodidina; ary ho toy izany koa ny amin’i Joda, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema. Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko vato mitambesatra amin’ny firenena rehetra ka haratra mafy izay rehetra mitady hanainga azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany. Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hamely ny soavaly amin’ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ny fahaverezan-tsaina; hampihiratra ny masoko amin’ny taranak’i Joda Aho ary hamely amin’ny fahajambana ny soavaly rehetra izay an’ny firenena. Ary ireo lohany amin’i Joda dia hiteny anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay Andriamaniny. Amin’izany andro izany, ireo lohany amin’i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra ao anaty kitay hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra ao anatin’ny amboara ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary i Jerosalema dia mbola hiorina amin’ny toerany ihany, dia any Jerosalema. Ary hovonjen’NY TOMPO aloha ny tranolain’i Joda, mba tsy hisandratra ambonin’i Joda intsony ny voninahitry ny taranak’i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema. Amin’izany andro izany dia harovan’NY TOMPO ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin’izany andro izany dia ho tahaka an’i Davida; ary ny taranak’i Davida dia ho tahaka an’Andriamanitra, dia tahaka ilay Anjelin’NY TOMPO eo anoloany. Amin’izany andro izany dia hanao izay handringanana ny Jentilisa rehetra izay avy hamely an’i Jerosalema Aho. Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana ka hijery Ahy izay nolefoniny izy. Ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ny olona ny lahimatoany. Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema, toy ny fisaonana ho an’i Hadada-Rimona, tao amin’ny lohasahan’i Megido. Ary hisaona ny tany ka hitsitokantokana isam-pianakaviana: Hitokana ny fianakavian’i Davida ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Natana ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’ny taranak’i Levy ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakavian’i Simey ary hitokana ny vadin’ireo; hitokana ny fianakaviana sisa rehetra isam-pianakaviana ary hitokana ny vadin’ireo. Amin’izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ny taranak’i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana. Ary amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahin’ny fahalotoana. Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hiteny aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’NY TOMPO; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy raha maminany izy. Amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hisalotra akanjo volom-biby hamitahana intsony izy fa hilaza hoe: Tsy mpaminany aho fa mpiasa tany, satria nisy nividy ahy ho andevo fony aho mbola kely. Dia hisy hilaza aminy hoe: Koa inona itony ratra eny amin’ny tratranao itony? Dia hovaliny hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy izay akaiky Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Asio ny mpiandry dia hihahaka ny ondry! Ary hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho. Ary amin’ny tany rehetra, hoy NY TOMPO, ny androatokony ao dia haringana ho faty, fa ny ampahatelony sisa ao no havela. Ary hoentiko miditra amin’ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy. Hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hilaza hoe: Oloko izy! Ary izy hiteny hoe: NY TOMPO no Andriamanitro! Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao. Ary hangoniko ny Jentilisa rehetra hamely an’i Jerosalema, dia ho azony ny tanàna ka horobaina ny trano ary hisy hanolana ny vehivavy; ny antsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa dia tsy hofongorana amin’ny tanàna. Dia ho avy NY TOMPO ka hiady amin’ireny Jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ny andron’ny ady. Amin’izany andro izany ny tongony dia hijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva izay manatrika an’i Jerosalema eo atsinanana; ary ny Tendrombohitra Oliva dia hitresaka eo afovoany, hiantsinanana sy hiankandrefana ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa dia hianatsimo. Dia handositra hamaky ny lohasahan’ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela izany lohasahan’ny tendrombohitra izany; eny, handositra ianareo, tahaka ny nandosiranareo ny horohoron-tany tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda. Ary ho avy NY TOMPO Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy. Ary amin’izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra dia tsy hiseho intsony. Ary hisy andro iray izay fantatry NY TOMPO, tsy andro na alina; nefa raha hariva ny andro dia hisy mazava. Amin’izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, koa ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina atsinanana ary ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina andrefana; na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina dia hisy izany. Ary NY TOMPO dia ho Mpanjakan’ny tany rehetra; amin’izany andro izany NY TOMPO dia ho tokana, sady ho tokana ny anarany. Ho tonga tahaka ny tany ngazana ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’i Jerosalema. Fa i Jerosalema kosa dia hasandratra sy hijanona eo amin’ny toerany ihany, hatramin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatramin’ny vavahady voalohany, hatramin’ny vavahady an-jorony ary hatramin’ny tilikambo fiambenana Hananela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. Dia hisy mponina any ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema dia handry fehizay. Ary izao no areti-mandringana hamelezan’NY TOMPO ny firenena rehetra izay nanafika an’i Jerosalema: Hataony miha lò am-pitsanganana ny nofony ary hiha lò ao amin’ny lavaka fitoerany ny masony ary ny lelany koa hiha lò ao am-bavany. Amin’izany andro izany NY TOMPO dia hahatonga fifanaritahana lehibe eo aminy, ary hifampihazona izy, sady samy hanainga tanana hifamely. Ary ny Joda koa dia hiady any Jerosalema ary hovorina ny harenan’ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka. Ary ny areti-mandringana dia hamely koa ny soavaly, ny ampondra, ny rameva ary ny boriky mbamin’ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ireny toby ireny; izany areti-mandringana izany dia ho tahaka ilay iray koa. Ary ny sisa rehetra amin’ny Jentilisa rehetra izay niakatra namely an’i Jerosalema dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo. Ary na iza na iza amin’ny firenena samihafa amin’ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia tsy hisy ranonorana mirotsaka aminy. Ary raha ny firenen’i Ejipta no tsy mba miakatra ka tsy tonga dia tsy hisy ranonorana hirotsaka aminy koa, sady ho tonga aminy ny areti-mandringana izay hamelezan’NY TOMPO ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana amin’ny trano rantsan-kazo. Izany no fampijaliana an’i Ejipta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. Amin’izany andro izany dia hosoratana eo amin’ny lakolosy kely amin’ny soavaly hoe: «NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO». Ary ny vilany ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ny alitara. Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy i Joda dia hohamasinina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ireny ka hahandro izany. Amin’izany andro izany dia tsy hisy mpivarotra intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Teny faminaniana avy tamin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Malakia ho an’ny Israely. Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO, nefa hoy ianareo: Inona no noentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao? Hoy NY TOMPO; nefa i Jakoba no tiako fa i Esao no halako, koa nataoko tany lao ny tendrombohiny ary ny lovany dia natolotro ho an’ny amboadia any an-tany efitra. Na dia hiteny aza i Edoma hoe: Torotoro izahay, nefa mbola hatsanganay indray ny efa rava, dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ireo dia hanangana fa Izaho kosa handrava; dia hantsoina hoe: Tanin’ny faharatsiam-panahy izy, dia firenena eo ambanin’ny fahatezeran’NY TOMPO mandrakariva izy. Ny masonareo no hahita ka hiteny ianareo hoe: NY TOMPO dia lehibe any ankoatran’ny tanin’ny Israely. Ny zanaka dia manaja ny rainy ary ny mpanompo dia manaja ny tompony. Koa raha Ray Aho, aiza ary izay mba hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, aminareo mpisorona izay manamavo ny anarako. Hoy ianareo hoe: Amin’inona no anamavoanay ny anaranao? Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba. Ary raha biby jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra dia hoe tsy ratsy va izany? Ary raha mandringa sy marary no entinareo dia hoe tsy ratsy va izany? Mba atolory ho an’ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa miangavy anareo aho, andeha mifona amin’Andriamanitra mba hamindrany fo amintsika, fa ny tananareo no nahatonga izao: Moa handray anareo amim-pankasitrahana va Izy? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana mba tsy handrehetana afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na handray fanatitra avy amin’ny tananareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa. Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Fa manamavo izany kosa ianareo amin’ny ilazanareo hoe: Voaloto ny latabatry NY TOMPO, ary ny hanina raisina avy eo dia tsinontsinona. Hoy koa ianareo: Zava-manasatra foana izao! Dia ahifikareo izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Zavatra nalaina an-keriny sy mandringa ary marary no entinareo atolotra ho fanatitra. Moa handray izany avy amin’ny tananareo va Aho? Hoy NY TOMPO. Ho voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin’ny andian’ondriny ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny anarako dia atahorana any amin’ny Jentilisa. Ankehitriny ry mpisorona, ho anareo izao didy izao: Raha tsy mihaino Ahy ianareo, raha tsy mandatsaka am-po ka tsy manome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia halefako hamely anareo ny ozona ka hozoniko ny tsodrano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany satria tsy nandatsaka am-po ianareo. Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo. Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana, ary nomeko azy ho fahatahorana izany ka natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. Ny lalànan’ny fahamarinana no teo am-bavany ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no niverina niala tamin’ny heloka. Fa ny molotry ny mpisorona dia tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna dia hotadiavina eo am-bavany, satria izy dia irak’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Fa efa nivily lalana kosa ianareo sady nanafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ilay fanekena tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’olona eo amin’ny fampiharanareo ny lalàna. Tsy mpiombona ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny faneken’ny razantsika? Ny Joda dia efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin’ny Israely sy eto Jerosalema. Fa efa nandoto ny fitoera-masin’NY TOMPO izay tiany ny Joda: Nanambady ny zanakavavin’ny andriamanitra hafa izy. Enga anie ka hofongoran’NY TOMPO hiala amin’ny tranolain’i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Faharoan’izany, izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’NY TOMPO ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra ary tsy hankasitraka na inona na inona avy amin’ny tananareo Izy. Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria NY TOMPO no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. Nahoana no nisy iray nanao izany nefa mba manam-panahy ihany? Taranaka araka an’Andriamanitra anefa no notadiavin’ilay iray. Koa tandremo ny fiainanareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo. Efa manasatra NY TOMPO amin’ny teninareo ianareo, nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy? Amin’ny ilazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’NY TOMPO ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana? Indro, haniraka ny irako Aho ary izy no hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ny fanekena izay irinareo dia indro, tamy Izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Nefa iza no hahatanty ny andro hiaviany? Ary iza no hahajanona rehefa miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. Hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy ary handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, dia ho an’NY TOMPO ireny, ho mpanolotra fanatitra amim-pahamarinana. Dia ho mamin’NY TOMPO, toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha, ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema. Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona hanameloka haingana ny mpitana ody, ny mpijangajanga, ny mpanao fianianana mandainga ary ny mpampahory ny mpikarama mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty, izay mampahory ny vahiny fa tsy matahotra Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Fa Izaho TOMPO dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana. Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena Amiko dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverenanay? Afaka handroba an’Andriamanitra va ny olona? Satria mandroba Ahy ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin’ny fahafolonkarena sy ny anjara fanomezana. Tratry ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia ianareo firenena iray manontolo izao. Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano fitahirizako mba hasian-kanina ao an-tranoko; izahao toetra amin’izany Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, raha tsy hovohako ho anareo ny varavaran’ny lanitra ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. Hasiako teny mafy noho ny aminareo ny valala ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny fa hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Ary hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo, fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Ny teninareo dia mahery mamely Ahy, hoy NY TOMPO. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay noentinay namely Anao? Tamin’ny nitenenanareo hoe: Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona moa no soa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao? Ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, ambinina izay nanao izay ratsy, sady naka fanahy an’Andriamanitra izy nefa afa-nandositra ihany. Tamin’izany, izay natahotra NY TOMPO dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary NY TOMPO nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra NY TOMPO sy mihevitra ny anarany. Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ho antra azy Aho, toy ny olona antra ny zanany lahy izay manompo azy. Dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka tsy hasiany miangana, na ny fotony na ny sampany. Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny masoandron’ny fahamarinana, mitondra fanasitranana eny amin’ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifaly havanja toy ny zanak’omby mifahy. Hohitsahinareo ny ratsy fanahy, fa ho lavenona ao ambanin’ny faladianareo izy amin’ny andro izay hotendreko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Tsarovinareo ny lalànan’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Israely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. Indro, haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo Aho, dieny tsy mbola tonga ny Andron’NY TOMPO, ilay lehibe sady mahatahotra. Ary Izy no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana. Ny filazana ny razan’i Jesosy Kristy, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama. I Abrahama dia niteraka an’Isaka; Isaka dia niteraka an’i Jakoba; i Jakoba dia niteraka an’i Joda mirahalahy avy; i Joda dia niteraka an’i Fareza sy i Zara tamin’i Tamara; i Fareza dia niteraka an’i Hezrona; i Hezrona dia niteraka an’i Arama; i Arama dia niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba dia niteraka an’i Nasona; i Nasona dia niteraka an’i Salmona; i Salmona dia niteraka an’i Boaza tamin’i Rahaba; i Boaza dia niteraka an’i Obeda tamin’i Rota; i Obeda dia niteraka an’i Jese; ary i Jese dia niteraka an’i Davida mpanjaka. I Davida dia niteraka an’i Solomona tamin’ny vadin’i Oria; i Solomona dia niteraka an’i Rehoboama; i Rehoboama dia niteraka an’i Abia; i Abia dia niteraka an’i Asafa; i Asafa dia niteraka an’i Josafata; i Josafata dia niteraka an’i Jorama; i Jorama dia niteraka an’i Ozia; i Ozia dia niteraka an’i Jotama; i Jotama dia niteraka an’i Ahaza; i Ahaza dia niteraka an’i Hezekia; i Hezekia dia niteraka an’i Manase; i Manase dia niteraka an’i Amona; i Amona dia niteraka an’i Josia; ary i Josia dia niteraka an’i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ny fahababoana tany Babilona. Ary taorianan’ny fahababoana tany Babilona i Jekonia dia niteraka an’i Sealtiela; i Sealtiela dia niteraka an’i Zerobabela; i Zerobabela dia niteraka an’i Abihoda; i Abihoda dia niteraka an’i Eliakima; i Eliakima dia niteraka an’i Azora; i Azora dia niteraka an’i Zadoka; i Zadoka dia niteraka an’i Akima; i Akima dia niteraka an’i Elihoda; i Elihoda dia niteraka an’i Eleazara; i Eleazara dia niteraka an’i Matana; i Matana dia niteraka an’i Jakoba; i Jakoba dia niteraka an’i Josefa, vadin’i Maria; ary i Maria dia niteraka an’i Jesosy, izay atao hoe Kristy. Ny taranaka rehetra hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida dia taranaka efatra amby folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilona dia taranaka efatra amby folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilona ka hatramin’i Kristy dia taranaka efatra amby folo. Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa. Ary i Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta hanala baraka azy, dia nikasa hisaraka aminy mangingina. Nefa raha mbola nisaina izany izy dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka niteny hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, koa hiteraka zazalahy izy ary ny anarany dia hataonao hoe: JESOSY; satria Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: «Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany dia hataon’ny olona hoe: Imanoela» (Isa 7.14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. Rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony i Josefa dia nanatanteraka izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy ka nampakatra an’i Maria vadiny. Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany dia nataony hoe: JESOSY. Rehefa teraka tao Betlehema any Jodia Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, dia indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka niteny hoe: Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. Ary nony nandre izany i Heroda mpanjaka dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema manontolo. Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy? Dia hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany: «Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy dia kely indrindra amin’ireo tanàna ao Joda ianao tsy akory; fa avy ao aminao no hiavian’Izay iray ho Mpanapaka, ka Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko» (Mik 5.1). Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana. Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany. Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely. Koa nony nahita ilay kintana izy ireo dia dibo-kafaliana. Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora. Nefa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Heroda dia lalana hafa no nandehanany nody ho any amin’ny fonenany. Nony efa lasa nandeha ireo dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka niteny hoe: Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Ejipta, koa mitoera any ambara-piteniko aminao; satria i Heroda dia mitady ny Zazakely hovonoiny. Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Ejipta; ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’NY TOMPO ny mpaminany hoe: «Nantsoiko avy tany Ejipta ny zanako» (Hos 11.1). Nony fantatr’i Heroda fa voafitaky ny Magy izy dia tezitra mafy izy ka nandefa iraka hamono ny zazalahy rehetra hatramin’ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin’ny manodidina rehetra, araka ny fotoana izay nofotorany fatratra tamin’ny Magy. Dia tanteraka izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany hoe: «Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely, ary tsy azo nampiononina izy satria lany ritra ireny.» (Jer 31.15) Rehefa maty i Heroda dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Ejipta tamin’ny nofy ka niteny hoe: Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Israely fa efa maty ireo izay nitady ny ain’ny Zazakely. Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ny tanin’ny Israely. Rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; koa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy dia lasa nankany amin’ny faritanin’i Galilia. Nony tonga tany izy ireo, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazareana Izy. Ary tamin’izany andro izany dia niseho vahoaka i Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-tany efitr’i Jodia ka nilaza hoe: Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Fa izy no ilay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Injany! Misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany» (Isa 40.3). Ny fitafian’i Jaona dia lamba volon-drameva ary fehikibo hoditra no teny aminy; valala sy tantely remby kosa no sakafony. Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’i Jordana dia nandeha nankany amin’i Jaona ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona mba hatao batisa i Jaona dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo; ary aza mihevitra ny hiteny anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. Ary indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany, Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo dia hodorany amin’ny afo tsy mety maty. Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa nandà Azy i Jaona ka niteny hoe: Izaho no tokony hataonao batisa ka Ianao indray va no mankaty amiko? Nefa namaly azy Jesosy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Dia nekeny Izy. Ary raha vao vita batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano avy hatrany; ary indro, nisokatra Taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. Ary injao nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako. Ary Jesosy dia noentin’ny Fanahy nankany an-tany efitra mba halain’ny devoly fanahy. Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany dia noana. Dia nanatona ny mpaka fanahy ka niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. Fa Izy kosa namaly hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Deo 8.3). Dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina indray ny devoly ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly sady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12). Hoy Jesosy taminy: Voasoratra koa hoe: «Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrao.» Ary nitondra Azy nankany an-tendrombohitra avo dia avo indray ny devoly ka naneho Azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny sady niteny Taminy hoe: Homeko Anao izao rehetra izao raha miankohoka eto anatrehako Ianao. Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: Fa voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Deo 6.13) Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. Nony ren’i Jesosy fa voasambotra i Jaona dia nihataka nankany Galilia Izy. Koa rehefa niala tany Nazareta Izy dia nankany Kapernaomy, izay any amoron-dranomasina, ao amin’ny zaratanin’ny Zebolona sy ny Naftaly ka nonina tao mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Ny tanin’i Zebolona sy ny tanin’i Naftaly, ny lalan’ny ranomasina, any andafin’i Jordana, dia Galilia, tanin’ny Jentilisa, ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana» (Isa 8.23; 9.1). Tamin’izany andro izany no nanomboka nitoriteny Jesosy ka nilaza hoe: Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Raha nitsangantsangana teny amoron’ny ranomasin’i Galilia Jesosy dia nahita olona mirahalahy, dia i Simona, izay atao hoe: Petera, sy i Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina izy ireo fa mpanarato. Hoy Jesosy tamin’izy ireo: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy. Ary raha mbola nandroso Izy dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka nanamboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy koa Izy. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy. Ary Jesosy nandeha manerana an’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona teo sy nitory ny Filazantsaran’ny fanjakana ary nanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia niely manerana an’i Siria ny lazany ka noentin’ny olona tany Aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina maro samihafa sy ireo nampahorin’ny adin-tsaina, dia ny demoniaka sy izay mararin’ny androbe ary ny malemy, ary nahasitrana ireny Izy. Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy any Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy any andafin’i Jordana. Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; rehefa tafapetraka Izy dia nanatona Azy ny mpianany. Dia nanomboka niteny Izy ka nampianatra azy ireo hoe: Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malahelo, fa izy no hampaherezina. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany (Sal 37.11). Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana. Sambatra ny mpamindra fo, fa izy no hamindrana fo. Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra. Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra. Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga handrava Aho fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoanan’ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory ny amin’ny lalàna, na dia iota iray na tsipika kely iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny iray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: «Aza mamono olona» (Eks 20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hilaza amin’ny rahalahiny hoe: Tsy misy saina ianao, dia mendrika hohelohina eo amin’ny Sinedriona; ary na zovy na zovy no hiteny hoe: Adala Ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny afobe. Koa raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo ianao no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao ka mandehana aloha mihavana amin’ilay rahalahinao, ary rehefa miverina ianao dia izay vao manolotra ny fanatitrao. Mihavàna haingana amin’ilay manana ady aminao raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa dia hanolotra anao amin’ny mpiambina ka hatao ao an-tranomaizina ianao. Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny kaodiranta farany indrindra. Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14) Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Fa raha ny masonao havanana no mahatafintohina anao dia esory hiala izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no hariana any amin’ny afobe. Ary raha ny tananao havanana no mahatafintohina anao dia tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa ho any amin’ny afobe. Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny dia aoka izy hanome an-dRavehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo 24.1). Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra dia mijangajanga. Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: «Aza manao fianianana mandainga, fa efao amin’NY TOMPO ny fianiananao» (Lev 19.12). Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory: Na amin’ny lanitra, fa sezafiandrianan’Andriamanitra izany; na amin’ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy io. Aza mianiana amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho Eny, rehefa eny; Tsia, rehefa tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy. Efa renareo fa voalaza hoe: «Maso solon’ny maso ary nify solon’ny nify» (Eks 21.24). Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tehamaina ny takolakao havanana dia atolory azy koa ny iray. Ary izay te hiady aminao ka ta haka ny akanjonao dia avelao ho azy koa ny lambanao. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha iray kilaometatra dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra. Omeo izay mangataka aminao; aza odian-tsy hita izay te hisambotra aminao. Efa renareo fa voalaza hoe: «Tiava ny namanao» (Lev 19.18), ary «mankahalà ny fahavalonao». Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay olona tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na ny mpamory hetra aza tsy mba manao toy izany koa va? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny Jentilisa aza tsy mba mahavita toy izany ihany va? Koa amin’izany aoka ianareo ho tanteraka toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra. Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. Rehefa mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny sinagoga sy eny an-joron-dalana mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, koa rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. Ary rehefa mivavaka ianareo dia aza mba milaza teny maro foana tahaka ny Jentilisa; fa ireo dia mihevitra hoe: Ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo; fa alohan’ny hangatahanareo Aminy dia efa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo. Koa amin’izany dia mivavaha toy izao ianareo: Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo dia mba hamela ny anareo ny Rainareo izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona kosa ianareo dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. Rehefa mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay mampanjombona ny endriny ary manaratsy ny tarehiny mba ho hitan’ny olona fa mifady hanina. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa ianao kosa, rehefa mifady hanina, dia hosory menaka manitra ny lohanao ary sasao ny tavanao mba tsy ho hitan’ny olona fa mifady hanina ianao, fa ho hitan’ny Rainao, izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao. Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao manontolo. Fa raha ratsy ny masonao dia ho maizina avokoa ny tenanao manontolo; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, toy inona ny halehiben’izany fahamaizinana izany! Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo. Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena? Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza eo aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia hakiho iray akory aza? Nahoana koa no manahy ny amin’ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo eny an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia i Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy na dia tahaka ny iray amin’ireny voninkazo ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay misy ihany anio fa hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana? Koa aza manahy ianareo ka miteny hoe: Inona no hohaninay? Na: Inona no hosotroinay? Na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny Jentilisa fatratra; fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany, aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro iray ny ratsy miseho ao aminy. Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo. Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka hesoriko ny singan’ahitra eo amin’ny masonao; nefa indro ny andry dia eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Aza omena ny amboa ny masina; ary aza atsipy eny amin’ny kisoa ny vatosoanareo, fandrao hanitsaka azy izy dia hifotitra ka hamiravira anareo. Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. Fa iza moa aminareo raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy? Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira. Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Koa ny voany no hahafantaranareo azy. Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina. Koa amin’izany, na zovy na zovy no mandre ny teniko teo ka mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy. Ary rehefa latsaka ny ranonorana dia nisy riaka be sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy. Fa izay rehetra mandre ireo teniko ireo nefa tsy mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy adala izy izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Koa rehefa latsaka ny ranonorana dia nisy riaka be sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany, dia nianjera izy ary loza ny faharavany. Nony efa vitan’i Jesosy izany teny izany dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy ireo toy izay manana fahefana Izy fa tsy tahaka ny mpanoradalàna teo aminy. Rehefa nidina avy any an-tendrombohitra Izy dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy. Ary indro, nisy boka iray nanatona, niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Tompoko ô, raha mety Ianao dia afaka manadio ahy. Ary Jesosy nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy. Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo. Nony tonga tao Kapernaomy Jesosy dia nisy kapiteny iray nankao Aminy ka nitaraina Taminy hoe: Tompoko ô, ny mpanompolahiko dia mandry ao an-trano, malemy izy ka mijaly loatra. Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hanasitrana azy. Hoy anefa ilay kapiteny: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko. Fa izaho koa dia mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy; ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy; ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy. Ary nony nahare izany Jesosy dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany teo amin’ny Israely Aho. Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-misakafo amin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Tamin’izay ora izay no nahasitrana ilay mpanompony. Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandry tao, voan’ny tazo. Nokasihiny ny tanan’ilay marary ka niala taminy ny tazo; dia nitsangana Ravehivavy ka nanompo Azy. Ary nony hariva ny andro dia noentin’ny olona tany Aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no nandroahany ny fanahy ratsy, koa izay rehetra narary dia nositraniny avokoa mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Isa 53.4). Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko ny handehanana ho eny ampitan’ny ony. Nanatona ny mpanoradalàna iray ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho, na aiza na aiza no halehanao. Nefa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo dia manan-davaka, ny voromanidina dia manana akany, fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany. Ary nisy hafa koa tamin’ny mpianatra niteny Taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. Saingy hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy. Nony niondrana an-tsambokely Izy dia nanaraka Azy ny mpianany. Ary indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, hany ka safotry ny alondrano ny sambokely; nefa Izy natory. Ary nanatona ireo mpianany ka namoha Azy sady niteny hoe: Tompo ô, vonjeo fa maty izahay! Ary hoy Izy taminy: Nahoana no matahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. Talanjona ny olona ka niteny hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy! Ary nony tonga teny ampita tany amin’ny tanin’ny Gadareniana izy ireo dia nifanena Taminy ny demoniaka roa lahy, avy tany amin’ny fasana, sady tena masiaka ka tsy nisy olona sahy nandalo tamin’izany lalana izany. Indro, niantsoantso izy ireo hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Zanak’Andriamanitra ô? Tonga etỳ va Ianao hampijaly anay alohan’ny fotoana? Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nihinana teny lavidavitra azy ireo teny. Dia nifona tamin’i Jesosy ireo demonia ka niteny hoe: Raha avoakanao ary izahay dia alefaso hankany anatin’ireo kisoa iray andiany ireo. Dia hoy Izy taminy: Mandehana! Dia lasa ireo ka niditra tao anatin’ny kisoa; ary indreny, nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa rehetra ka maty tany anatin’ny rano. Ary nandositra ny mpiandry kisoa, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ireo demoniaka. Ary indreo ny olona rehetra avy tao an-tanàna, tonga mba hitsena an’i Jesosy; kanefa nony nahita Azy izy ireo dia nifona tamin’i Jesosy mba hialany amin’ny faritaniny. Niondrana an-tsambokely Izy dia niampita ka tonga tao an-tanànany. Ary indro, nisy lehilahy iray malemy, nandry tamin’ny fandriana noentin’ny olona teo Aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia niteny tamin’ilay malemy hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao. Ary indreo ny mpanoradalàna sasany dia niteny anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity. Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Fa inona moa no moramora kokoa, ny miteny hoe: Voavela ny helokao sa ny miteny hoe: Mitsangàna ka mandehana! Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka; dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony. Raiki-tahotra ny vahoaka nony nahita izany ka nankalaza an’Andriamanitra, izay nanome ny olona fahefana toy izany. Nony niala teo Jesosy dia nahita lehilahy iray antsoina hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra ka hoy Izy taminy: Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana i Matio ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nisakafo tao an-trano Izy dia indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany. Raha nahita izany ny Fariseo dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota? Nony nahare izany Jesosy dia niteny hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota. Dia nankany amin’i Jesosy ny mpianatr’i Jaona ka niteny hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa dia tsy mba mifady? Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba mbola tsy voasasa; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny akanjo ka hiitatra ny triatra. Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany dia ho triatra ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-voatahiry izy roa. Raha mbola nilaza izany tamin’izy ireo Izy dia indro, avy ny mpanapaka iray dia niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Maty vao teo ny zanako vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy dia ho velona izy. Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin’ny mpianany. Ary indro, nisy vehivavy iray izay efa narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona, nankao aorianany ka nikasika ny morontongotr’akanjony. Fa hoy izy anakampo hoe: Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko dia ho sitrana aho. Ary Jesosy nihodina ka nahita azy dia niteny hoe: Matokia, ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba, dia niteny hoe: Mialà ato ianareo; fa tsy maty Razazavavy fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Nony efa niala tao ny olona dia niditra Jesosy ka nandray ny tanan-dRazazavavy, dia nifoha izy. Ary ny lazan’izany dia niely tamin’izany tany rehetra izany. Nony niala teo Jesosy dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô! Ary rehefa niditra tao an-trano Izy dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manatanteraka izany Aho? Hoy izy ireo Taminy: Eny, Tompoko. Dia nikasika ny masony Izy ka niteny hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy ireo mafy hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao. Kanjo nony niala teo izy roa lahy dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany. Ary rehefa lasa ireo dia indro, nisy lehilahy moana iray izay demoniaka noentin’ny olona teo amin’i Jesosy. Rehefa navoaka ny demonia dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka niteny hoe: Tsy mbola nisy zava-niseho toy izao tamin’ny Israely. Fa hoy kosa ny Fariseo hoe: Ny lohan’ny demonia no androahany ny demonia. Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tany amin’ny sinagoga sy nitory ny Filazantsaran’ny fanjakana ary nanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy dia nahonena Azy ny fijeriny ireo satria trotraka izy ireo fa nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hanangona ny vokatra. Ary Jesosy niantso ny mpianany roa amby folo lahy hankeo Aminy ka nanome azy ireo fahefana handroaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. Izao no anaran’ny Apostoly roa amby folo lahy: Ny voalohany, i Simona, izay atao hoe Petera, sy i Andrea rahalahiny; i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny; i Filipo sy i Bartolomeo; i Tomasy sy i Matio mpamory hetra; i Jakoba, zanak’i Alfeo; i Tadeo; i Simona kananeana ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy. Nirahin’i Jesosy ireo roa amby folo lahy ireo ka nohafatrafarany hoe: Aza mandeha any amin’ny lalan’ny Jentilisa ary aza miditra amin’izay tanànan’ny Samaritana, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely. Ary raha mandeha ianareo dia mitoria hoe: Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. Aza mitady volamena na volafotsy na varahina, ho ao anatin’ny fehikibonareo, na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny. Amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo dia fantaro tsara izay mendrika ao ka mitoera ao mandra-pialanareo. Ary raha vao miditra ao an-trano ianareo dia miarahabà ny olona ao. Koa raha mendrika ny olona ao an-trano dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. Ary izay tsy mampandroso anareo, na tsy mihaino ny teninareo, mialà amin’izany trano na tanàna izany, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo. Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma sy Gomora amin’ny andro fitsarana noho ny ho amin’izany tanàna izany. Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny bibilava ary aoka ho tsotra tahaka ny voromailala. Ary mitandrema ianareo ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny Sinedriona sy hokapohiny ao amin’ny sinagogany ianareo; ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny Amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny Jentilisa. Fa rehefa manolotra anareo izy dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na ny amin’izay zavatra holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy ianareo no miteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo. Ary ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray dia hanolotra ny zanany; ary ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahafaty azy. Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Ary raha enjehina ao amin’ny tanàna iray ianareo dia mandosira ho any amin’ny tanàna hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Israely akory ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona. Ny mpianatra dia tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony. Fa ampy amin’ny mpianatra raha tonga tahaka ny mpampianatra azy izy, ary ny mpanompo raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nolazainy hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany? Koa amin’izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eo amin’ny mazava ary izay ren’ny sofinareo dia torio eny an- tampon-trano. Ary aza matahotra izay mamono ny vatana, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra izay mahay mahavery ny fanahy sy ny vatana any amin’ny afobe. Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handa Ahy eo anatrehan’ny olona dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra. Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ny zanakavavy amin’ny reniny ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny; ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony (Mik 7.6). Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy. Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy ary izay mahafoy ny ainy noho ny Amiko dia hahavonjy azy. Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina. Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany. Ary rehefa vitan’i Jesosy ny hafatrafatra ho an’ny mpianany roa amby folo lahy dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ireo tanànany. Rehefa ren’i Jaona, tao an-tranomaizina, ny asa nataon’i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Mandehana ianareo ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: Mahiratra ny jamba, afaka mandeha tsara ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty ary itoriana ny Filazantsara ny mahantra. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko. Nony lasa ireny, vao nilaza ny amin’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy ka niteny hoe: Hizaha inona no nandehananareo nankany an-tany efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nandehananareo? Olona mirentirenty fitafy va? Indro, ny mirentirenty fitafy dia any amin’ny tranon’ny mpanjaka. Sa hizaha inona no nandehananareo? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. Izy no ilay voasoratra hoe: «Indro Aho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny lalanao eo alohanao» (Mal 3.1). Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’izay nateraky ny vehivavy dia tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho i Jaona Mpanao batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka dia maka azy an-keriny. Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin’i Jaona. Ary raha mety mandray ianareo dia izy no ilay Elia izay ho avy. Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino. Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka miteny hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay nefa tsy nandihy ianareo, efa nihira hira fisaonana izahay nefa tsy niteha-tratra ianareo. Fa tonga i Jaona, tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Tonga kosa ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, ka hoy ny olona: Indro olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany. Ary tamin’izay Jesosy dia niteny mafy ireo tanàna izay vao avy nanaovany ny ankamaroan’ny asany lehibe, satria tsy nibebaka ireo, ka hoy Izy: Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tiro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo dia ho efa nibebaka ela tamin’ny akanjo fisaonana sy ny lavenona ireny. Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tiro sy Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao dia ho naharitra ambaraka androany izy. Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminao. Tamin’izany andro izany koa Jesosy niteny hoe: Midera Anao Aho, Ray ô! Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany nefa nasehonao tamin’ny zaza madinika. Eny, Ray ô! Satria izany no sitraponao. Ny zavatra rehetra dia natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako. Tamin’izany andro izany Jesosy nandeha namakivaky tanimbary iray tamin’ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary dia nihinana. Fa nony nahita izany ny Fariseo dia niteny Taminy hoe: Indro ny mpianatrao manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata. Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo izay nanaraka azy, fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, izay tsy azony na ireo izay nanaraka azy hanina, afa-tsy ny mpisorona ihany? Ary mbola tsy novakinareo ao amin’ny lalàna va fa amin’ny Sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly dia mandika ny Sabata, kanefa tsy manan-tsiny? Dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. Fa Tompon’ny Sabata ny Zanak’Olona. Nony niala teo Jesosy dia niditra tao amin’ny sinagoga; ary indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary nanontanian’ny olona Izy hoe: Mety va ny manasitrana amin’ny Sabata? Mba hiampangany Azy izany. Ary hoy Izy taminy: Iza aminareo moa, raha manana ondry iray ka latsaka any an-kady amin’ny Sabata, no tsy handray sy hampiakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany dia mety ny manao soa amin’ny Sabata. Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ny tanany ka sitrana tahaka an’ilay ilany. Dia niala teo ny Fariseo ka nikaon-doha ny amin’izay hamonoany Azy. Fa Jesosy nahalala izany ka niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy ka nositraniny avokoa izy rehetra; ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy, mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ny Malalako izay sitraky ny foko indrindra; hapetrako ao Aminy ny Fanahiko ary hitory ny rariny amin’ny Jentilisa Izy. Tsy hifanditra na hiantso mafy Izy; tsy hisy handre ny feony any an-dalana; Tsy hotapahiny ny volotara torotoro ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny anarany no hitokian’ny Jentilisa » (Isa 42.1-4). Noentina tany amin’i Jesosy koa ny lehilahy iray izay demoniaka sady jamba no moana; dia nositraniny ka niteny ilay moana sady nahita. Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Moa Ity va ilay Zanak’i Davida? Fa nony ren’ny Fariseo izany dia hoy izy ireo: Ilehity tsy mandroaka ny demonia afa-tsy amin’ny alalan’i Belzeboba, lohan’ny demonia. Ary Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny tamin’ireo hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. Raha i Satana no mandroaka an’i Satana dia miady an-trano izy; koa ahoana no haharetan’ny fanjakany? Ary raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako ny demonia, amin’ny alalan’iza kosa no mba androahan’ny zanakareo azy? Noho izany dia izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra. Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny entany raha tsy afatony aloha ny mahery? Dia izay vao handroba ny ao an-tranony izy. Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka. Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Ary na iza na iza no milaza teny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy. Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo. Ry taranaky ny menarana! Hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava. Avy amin’ny rakitra tsara no amoahan’ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary avy amin’ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy. Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny rehetra tsy misy antony izay nataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao ary ny teninao no hanamelohana anao. Ary tamin’izany, ny sasany tamin’ireo mpanoradalàna sy Fariseo, dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, ta hahita famantarana avy Aminao izahay. Fa Jesosy namaly azy ireo hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’i Jona mpaminany; fa tahaka ny nitoeran’i Jona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’Olona telo andro sy telo alina ao anatin’ny tany. Ny olona tany Ninive dia hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy ireo tamin’ny toritenin’i Jona; nefa indro, misy lehibe noho i Jona eto. Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa indro, misy lehibe noho i Solomona eto. Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, nefa tsy mahita. Dia hoy izy: Hody any amin’ny tranoko izay nialako aho; ary nony tonga izy dia hitany fa foana ny trano sady efa voafafa no voalamina. Ary mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa izay ratsy noho izy miaraka aminy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny fiafaran’izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity. Ary raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Jesosy, indreo ny reniny mbamin’ireo rahalahiny, nijanona teo alatrano nitady hiresaka Taminy. Ary nisy iray niteny Taminy hoe: Indreo ny reninao mbamin’ny rahalahinao, mijanona ato alatrano mitady hiresaka Aminao. Fa namaly an’ilay nilaza Taminy izy hoe: Iza moa no reniko ary iza no rahalahiko? Sady nanondro ny mpianany tamin’ny tanany Izy no niteny hoe: Indreo no reniko sy rahalahiko; fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. Ary tamin’izany andro izany dia niala tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron’ny ranomasina. Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo Aminy, dia niditra tao an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina. Ary nilaza zavatra maro tamin’ny fanoharana taminy Izy ka niteny hoe: Indro, niainga ny mpamafy mba hamafy; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany be vato izay tsy ampy nofon-tany, dia nalaky nitsiry ireny satria tsy lalina ny tany. Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo izy ireny, ary satria tsy nanam-paka tsara izy dia maty. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary naniry ny tsilo ka nangeja azy. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. Ary nanatona Azy ny mpianany dia nanontany hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’izy ireo? Jesosy namaly azy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa dia tsy mba navela. Fa izay manana no homena ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy. Noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: Satria mijery izy fa tsy mahita; ary mandre izy fa tsy mihaino na mahazo izay lazaina. Dia tanteraka tamin’izy ireo ny faminanian’Isaia hoe: «Handre mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahazo izay lazaina ary hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahita; Fa efa adala ny fon’izao olona izao; efa lalodalovana ny sofiny, efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hanasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10). Sambatra kosa ny masonareo satria mahita ary ny sofinareo satria mandre. Lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo nefa tsy mba nandre. Fa ianareo kosa, henoy ny fanoharana ny amin’ny mpamafy: Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra, nefa tsy mahazo izay lazaina, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana. Fa ilay nafafy teny amin’ny tany be vato, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa raha tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia malaky tafintohina izy. Ilay nafafy teny amin’ny tsilo indray dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena dia mangeja ny teny ka tsy manome vokatra izy. Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahazo izay lazaina; dia izy no manome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo. Ary niteny fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray izay namafy voa tsara teny an-tanimbariny; nefa raha natory ny olona dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary ary lasa nandeha. Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niseho koa ny tsimparifary. Dia avy ireo mpanompon-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy: Fahavalo no nahavita izany. Ary hoy ireo mpanompony taminy: Koa tianao va ny handehananay hanongotra azy? Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary. Avelao ihany hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro. Ary nilaza fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny voantsinapy izay nalain’olona ka nafafiny tany an-tsahany; fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voromanidina ka manorina akany eo amin’ny rantsany. Mbola nilaza fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ny vehivavy iray ka naharony tamin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny masirasira azy rehetra. Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin’ny vahoaka ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ny fanoharana mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: «Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho» (Sal 78.2). Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe: mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary. Ary Izy namaly hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ireo zanaky ny fanjakan’ny lanitra; ny tsimparifary dia ireo zanak’ilay ratsy; ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao ary ny mpijinja dia ny anjely. Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Ny Zanak’Olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha izay hitan’olona ka nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra dia nividy izany saha izany. Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpivaro-mandeha iray izay nikatsaka vatosoa; koa rehefa nahita vatosoa iray sarobidy izy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy. Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samihafa karazana rehetra; ary rehefa feno izany dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao anaty harona fa ny ratsy kosa dia nariany. Dia tahaka izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao; hiainga ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo Taminy: Eny. Dia hoy Izy taminy: Koa amin’izany ary ny mpanoradalàna rehetra izay nampianarina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny tompon-trano iray izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy ao amin’ny firaketany. Ary rehefa vitan’i Jesosy ireo fanoharana ireo dia niala teo Izy. Nony tonga tany amin’ny taniny Izy dia nampianatra ny olona tao amin’ny sinagogany, ary talanjona ny olona ka nilaza hoe: Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena izany sy ireny fahagagana ireny? Tsy Ilehity va ilay zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran’ny reniny? Ary tsy i Jakoba sy i Josefa ary i Simona sy i Jodasy va no rahalahiny? Ary ireo anabaviny, moa tsy etỳ amintsika avokoa va? Koa avy taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra rehetra izany? Ary tafintohina Taminy izy ireo. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy homen-kaja, afa-tsy eo amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany. Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsy finoan’ireo. Tamin’izany andro izany i Heroda mpanapaka dia nandre ny lazan’i Jesosy ka hoy izy tamin’ny mpanompony: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanaovany izao asa lehibe izao. Satria tokoa i Heroda dia efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy tao an-tranomaizina, noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny. I Jaona dia efa nilaza taminy hoe: Tsy azonao atao ny maka azy ho vadinao. Koa naniry hamono azy i Heroda, saingy natahotra ny vahoaka izy satria nataon’ireo ho mpaminany i Jaona. Fa nony tonga ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Heroda dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’i Herodiasy ka nahafaly an’i Heroda izany. Noho izany, nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona. Ary rehefa nomen’ny reniny hevitra Razazavavy dia nilaza hoe: Omeo ahy eto ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Dia nalahelo ny mpanjaka, nefa noho ny fianianany sy ireo olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia nandidy ihany izy mba hanomezana azy izany. Koa nandefa iraka hanapaka ny lohan’i Jaona tao an-tranomaizina izy. Dia noentina teo ambony lovia ny lohan’i Jaona ka nomena ilay zazavavy; ary izy kosa dia nitondra izany ho ao amin’ny reniny. Ary tonga ny mpianatr’i Jaona ka naka ny fatiny dia nandevina azy; avy eo dia lasa izy ireo nilaza izany tamin’i Jesosy. Ary nony nandre izany Jesosy dia niondrana an-tsambokely niala teo, handeha hitokana any an-tany efitra; nefa raha nandre izany ny vahoaka dia niainga avy teny amin’ny tanànany avy ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Nony nidina avy tao an-tsambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ireo Izy ka nanasitrana ireo marariny. Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao ary efa hariva ity ny andro; ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha ireo; fa omeonareo hanina. Fa hoy ny mpianany Taminy: Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atỳ aminay. Ary hoy Izy: Ento etỳ amiko izany. Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo dia natolony ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra ho an’ny vahoaka. Dia nihinana avokoa izy rehetra ka voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany dia nahafeno harona roa amby folo. Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy. Teo no eo ihany Jesosy dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely mba hialoha Azy eny ampita mandra-pandravany ny vahoaka. Rehefa avy nandrava ny vahoaka Izy dia niakatra tao an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka; nony hariva ny andro dia nitoetra irery teo Izy. Efa lasa stadio maromaro lavitry ny morona ny sambokely tamin’izay ka natopatopan’ny alondrano satria notoherin’ny rivotra izy. Ary tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina hankeny amin’ny mpianany Jesosy. Nony nahita Azy nandeha teo ambonin’ny ranomasina ny mpianatra dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Matoatoa io; dia niantsoantso izy ireo noho ny tahotra. Nefa Jesosy niteny tamin’izy ireo niaraka tamin’izay hoe: Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra. Ary hoy i Petera Taminy: Tompoko, raha Ianao ary io dia asaivo manatona Anao eny ambonin’ny rano aho. Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely i Petera ka nandeha teo ambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy. Rehefa hitany fa nahery ny rivotra dia natahotra izy, ary raha nanomboka nilentika izy dia niantsoantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! Dia nanatsotra ny tanany niaraka tamin’izay Jesosy ka nandray azy sady niteny taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao? Ary rehefa niakatra tao an-tsambokely izy ireo dia nitsahatra ny rivotra. Ary izay tao an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka niteny hoe: Marina fa Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao. Rehefa niampita izy ireo dia tonga teo an-tanety, any Genesareta. Nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo dia nandefa iraka tany amin’ny tany rehetra manodidina mba hitondra ny marary rehetra ho eo Aminy. Ary nangataka Taminy ireo mba hahazo hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza; koa na iza na iza no nikasika izany dia sitrana avokoa. Ary nisy Fariseo sy mpanoradalàna avy tany Jerosalema nankeo amin’i Jesosy ka niteny hoe: Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy ireo rehefa hihinan-kanina. Ary Izy namaly azy ireo hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Fa Andriamanitra efa niteny hoe: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17). Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nateriko ho fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana rehetra tokony ho anao avy amiko, dia tsy mila manaja ny rainy na ny reniny intsony izy. Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: «Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa zava-poana ny ivavahan’ireo Amiko, raha mampianatra didin’olombelona ho fampianarana izy» (Isa 29.13). Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ka fantaro: Tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona, fa izay mivoaka avy amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona. Dia nankeo Aminy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo raha nandre izany teny izany? Fa Izy namaly hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. Avelao izy, fa jamba mitarika jamba; ary raha ny jamba no mitarika jamba dia samy ho latsaka any an-kady izy roa. Fa hoy i Petera Taminy: Lazao aminay ny hevitr’izany fanoharana izany. Dia hoy Jesosy: Ianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany? Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka any amin’ny toeram-pivoahana? Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo ka izany no mahaloto ny olona. Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy; izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tanana tsy voasasa dia tsy mba mahaloto ny olona. Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ny faritanin’i Tiro sy Sidona. Ary indro, nisy vehivavy kananita iray avy tamin’izany faritra izany niantsoantso hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia loatra. Kanefa Izy tsy namaly azy akory na dia teny indraimbava aza. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka Taminy hoe: Roahy izy fa miantsoantso mafy ato aorianantsika. Fa Izy namaly hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely. Nanatona ihany anefa Ravehivavy sady niankohoka teo anatrehany no niteny Taminy hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. Ary Izy namaly hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely. Fa hoy Ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboa kely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany. Dia namaly azy Jesosy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay. Raha niala teo Jesosy dia nankany amoron’ny ranomasin’i Galilia; niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo; ary nisy vahoaka betsaka nankeo Aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny kilemaina, ny moana sy ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy ireny Izy; talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka mandeha ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Israely izy rehetra. Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo Aminy ka niteny hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ Amiko izy izao nefa tsy manan-kohanina ihany; tsy tiako ny hampody azy ireo tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy. Fa hoy ny mpianatra Taminy: Aiza no hahitanay mofo ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao atỳ an-tany efitra? Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy ary any aminareo? Dia hoy ireo: Fito sy hazandrano madinika vitsy. Dia nandidy ny vahoaka hipetraka amin’ny tany Izy. Ary nandray ny mofo fito mbamin’ny hazandrano Izy, koa rehefa nisaotra dia namaky izany ka nanolotra azy ho an’ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra izany ho an’ny vahoaka. Nihinana avokoa izy rehetra ka voky; rehefa nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany dia nahafeno fito sobika. Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy. Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin’ny sisintanin’i Magadana. Nankeo Aminy indray ny Fariseo sy ny Sadoseo dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra. Ary Izy namaly azy ireo hoe: Rehefa hariva ny andro dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro fa mena ny lanitra. Ary amin’ny maraina dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro fa mena sy manjombona ny lanitra. Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo. Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Dia nandao azy Jesosy ka lasa. Rehefa tonga teny ampita ny mpianatra dia nanadino nitondra mofo. Dia hoy Jesosy taminy: Mandiniha ianareo ka mitandrema mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo. Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angamba izany. Ary Jesosy nahalala ny resany ka niteny tamin’ireo hoe: Nahoana no mifampiresaka ny amin’ny tsy fanananareo mofo ianareo, ry kely finoana? Tsy mbola azonareo ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ny olona dimy arivo, firy harona moa no nangoninareo? Na ny mofo fito ho an’ny olona efatra arivo, firy sobika moa no nangoninareo? Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa hoe tandremo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo. Teo vao fantany fa tsy nasainy hitandrina ny amin’ny masirasira fanaovana mofo izy ireo fa ny amin’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo. Rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Kaisarian’i Filipo Jesosy dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona? Ary hoy ireo: Ny sasany dia milaza hoe: Jaona Mpanao batisa; ary ny sasany dia milaza hoe: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na iray amin’ireo mpaminany. Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa mba milaza Ahy ho iza? Namaly i Simona Petera hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Dia hoy indray Jesosy taminy: Sambatra ianao, ry Simona, zanak’i Jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho koa milaza aminao fa ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty dia tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra; koa na inona na inona fehezinao etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra ary na inona na inona vahànao etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra. Tamin’izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’olona akory fa Izy no Kristy. Hatramin’izay andro izay no nanombohan’i Jesosy naneho tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijaly Azy mafy ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanoradalàna, dia hovonoina Izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera ka niteny Azy mafy hoe: Sanatria Aminao izany, Tompoko! Tsy ho Aminao mihitsy izany. Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fandrika ho Ahy ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona. Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo izany. Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, kanefa very ny ainy? Ary inona moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy? Fa ho avy ny Zanak’Olona amin’ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny asany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany. Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona rahalahiny ka nitondra azy ireo niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. Dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy, koa ny tarehiny dia namirapiratra tahaka ny masoandro, ary tonga fotsy tahaka ny mazava ny fitafiany. Ary indreo, niseho tamin’ny mpianatra i Mosesy sy i Elia, niresaka tamin’i Jesosy. Dia niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao dia hanao tranolay telo eto aho: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia. Raha mbola niteny izy dia indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona niteny hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy. Ary nony nandre izany ny mpianatra dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra. Ary Jesosy nankeo aminy dia nikasika azy ireo sady niteny hoe: Mitsangàna fa aza matahotra. Nefa nony niandrandra izy ireo dia tsy nahita na iza na iza, afa-tsy Jesosy irery. Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy ireo Jesosy hoe: Aza milazalaza amin’olona iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty. Ary nanontany Azy ny mpianany hoe: Nahoana ary no ilazan’ny mpanoradalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia? Ary Jesosy namaly hoe: I Elia dia ho tonga ihany ka hamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady i Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona. Dia fantatry ny mpianatra fa ny amin’i Jaona Mpanao batisa no nolazainy taminy. Rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo dia nisy lehilahy iray nanatona an’i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany sady niteny hoe: Tompoko, mamindrà fo amin’ny zanako lahy fa mararin’ny androbe izy ka mijaly tokoa; matetika izy no mianjera ao anaty afo ary matetika ao anaty rano. Ary nitondra azy tamin’ny mpianatrao aho nefa tsy nahay nanasitrana azy izy. Ary hoy Jesosy: Ry taranaka tsy mino sady diso lalana, mandra-pahoviana no hiarahako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ Amiko izy. Ary niteny mafy azy Jesosy dia niala taminy ny demonia ka sitrana tamin’izay ora izay ilay zazalahy. Dia nankao amin’i Jesosy mangingina ny mpianatra ka niteny hoe: Nahoana izahay no tsy afaka nandroaka an’iny? Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana toy ny voantsinapy iray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ dia hifindra izy; ary tsy hisy zavatra tsy ho hainareo hatao. Kanefa iny karazana iny dia tsy miala raha tsy avoaka amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina. Rehefa tafaverina tany Galilia izy ireo dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Ny Zanak’Olona efa hatolotra ho eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny, nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary nalahelo indrindra ireo. Nony tonga tao Kapernaomy izy ireo dia nankeo amin’i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekela na didrakma ka niteny hoe: Moa va ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekela na didrakma? Dia hoy i Petera: Mandoa Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano i Petera dia nialohavan’i Jesosy teny izy ka nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany haban-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va sa avy amin’ny olon-kafa? Ary hoy i Petera taminy: Avy amin’ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Raha izany dia afaka ny zanaka. Kanefa mba tsy hahatonga antsika hanafintohina azy ireo dia mandehana any amin’ny ranomasina ianao ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, koa rehefa sokafanao ny vavany dia hahita vola statera ao ianao; dia raiso izany ka omeo azy ireo ho avy Amiko sy avy aminao. Tamin’io fotoana io indrindra dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka niteny hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra? Ary Jesosy niantso zazakely iray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany ka niteny hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zaza ity dia izy no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary na zovy na zovy no handray zazakely iray tahaka itony amin’ny anarako dia mandray Ahy. Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy. Lozan’izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! Fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’izay olona mahatonga ny fahatafintohinana. Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario hiala aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay. Ary raha ny masonao no manafintohina anao, ongoty izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe. Tandremo fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko izay any an-danitra. Fa tonga ny Zanak’Olona hamonjy ny very. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka mania ny iray, moa tsy hamela ny sivy amby sivifolo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania? Ary raha toa ka hitany izany dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania. Tahaka izany dia tsy sitraky ny Rainareo izay any an-danitra raha ho very na dia iray monja aza amin’ireny madinika ireny. Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa mba hohamafisina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny teny rehetra (Deo 19.15). Ary raha tsy mety mihaino an’ireo izy dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny Jentilisa sy ny mpamory hetra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahànareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra. Lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho. Dia nanatona i Petera ka niteny Taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo. Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray izay ta hanamarina ny amin’ny toe-bolany amin’ny mpanompony. Ary raha vao nanamarina izy dia nisy iray noentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina. Ary satria tsy nanan-kaloa izy io dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vady aman-janany mbamin’ny fananany rehetra mba handoavana ny trosa. Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka niteny hoe: Tompoko, omeo andro aho fa haloako ny anao rehetra. Onena azy ny tompon’izany mpanompo izany ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. Nefa nony niala teo ilay mpanompo dia nahita mpanompo namany iray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny Ilehio ka nokendainy sady nataony hoe: Aloavy izay trosako any aminao. Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy hoe: Omeo andro aho fa haloako ny anao. Nefa tsy nety izy fa lasa nampiditra azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa. Nony hitan’ireo mpanompo namany izay efa nataony dia nalahelo indrindra izy ireo ka nandeha nanao tatitra tamin’ny tompony momba ny zava-niseho rehetra. Dia nampiantsoin’ny tompony Ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko manontolo ny trosa taminao satria nifona tamiko ianao; moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo. Ary rehefa vitan’i Jesosy ireo teny ireo dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny andafin’i Jordana, dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy dia nanasitrana azy tany Izy. Dia nisy Fariseo nanatona sady naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy na inona na inona antony? Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27), hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24), koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona. Hoy ireo Taminy: Nahoana ary i Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy (Deo 24.1)? Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa. Dia hoy ny mpianany Taminy: Raha izany no toerana misy ny lehilahy manoloana ny vadiny dia aleo tsy manambady. Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany fa izay nomena ihany; fa misy ionòka efa hatrany an-kibon’ny reniny; ary misy ionòka, noho ny nataon’ny olona; ary misy ionòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray. Tamin’izany, nisy zazakely noentina teo amin’i Jesosy mba hametrahany tanana sy hoentiny am-bavaka; saingy ny mpianany dia niteny mafy ireny. Nefa hoy Jesosy: Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra. Rehefa avy nametraka ny tanany taminy Izy dia niala teo. Indro, nisy lehilahy iray nanatona Azy niteny hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay? Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Iray no tsara; fa raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy. Hoy Ralehilahy taminy: Inona avy moa izany? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, manajà ny rainao sy ny reninao (Eks 20.12-16), ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Hoy ilay zatovo Taminy: Izany rehetra izany dia efa voatandriko avokoa; fa inona no mbola tsy ampy amiko? Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo dia niala tamin’alahelo satria nanankarena be izy. Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Lazaiko aminareo indray: Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary nony nandre izany ny mpianatra dia talanjona indrindra ka niresaka hoe: Iza indray ary no azo vonjena? Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra. Dia hoy i Petera Taminy: Indro, efa nahafoy ny zavatra rehetra izahay ka nanaraka Anao; koa ahoana ny ho aminay? Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa tonga amin’ny fahateraham-baovao ka hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’Olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny sezafiandrianana roa amby folo ka hitsara ny fokon’Israely roa amby folo. Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray avo zato heny ka handova fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany. Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, niainga vao maraina mba hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rehefa nifanekeny tamin’ny mpiasa fa ho denaria iray isanandro ny karamany dia nasainy nankany amin’ny tanim-boalobony ireny. Niainga indray izy tamin’ny ora fahatelo dia nahita ny sasany nipetra-potsiny teny an-tsena ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka fa izay tokony ho izy no homeko anareo. Dia lasa ireny. Ary niainga indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy ka niteny toy izany koa. Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika amby folo dia niainga indray izy ka nahita ny sasany nipetra-potsiny dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mipetra-potsiny eto mandritra ny andro? Hoy ireo taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy Ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka. Rehefa hariva ny andro dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany: Atombohy amin’ireo farany mankany amin’ny voalohany. Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika amby folo dia samy denaria iray avy no azon’ny tsirairay. Fa rehefa tonga ireo voalohany dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria iray avy ihany no azony. Koa rehefa nahazo izany izy ireo dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano ka niteny hoe: Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hafanana. Fa hoy izy tamin’ny iray: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy rariny aminao aho; tsy denaria iray va no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena tahaka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako hatao amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany dia ho voalohany ary ny voalohany dia ho farany. Ary Jesosy rehefa niakatra ho any Jerosalema dia nitondra ny mpianatra roa amby folo lahy nihataka kely ka niteny taminy teny an-dalana hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’Olona hatolotra ho amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna, dia hohelohiny ho faty ka hatolony amin’ny Jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny ary hohomboany amin’ny hazofijaliana; nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana. Tamin’izany, nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ireo zanany lahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra Taminy. Hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy Ravehivavy Taminy: Manomeza teny mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto ao amin’ny fanjakanao; koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao. Fa Jesosy namaly azy hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy ireo Taminy: Hainay ihany. Hoy Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako dia tsy anjarako ny hanome izany; fa homena ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy izany. Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra noho ny nataon’izy mirahalahy. Nefa Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ka niteny hoe: Fantatrareo fa ny mpitondra eo amin’ny Jentilisa dia mampanompo azy mafy ary ny lehibeny dia manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te ho voalohany aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’Olona, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. Rehefa niala tao Jeriko izy ireo dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy. Ary indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô! Ary nandrara azy ireo ny vahoaka mba hangina; nefa vao mainka niantsoantso izy hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô! Ary Jesosy nijanona dia niantso azy ireo ka niteny taminy hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo? Hoy ireo Taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratana ny masonay. Onena azy ireo Jesosy ka nikasika ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’izay izy ireo dia nanaraka an’i Jesosy. Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo ka tonga tao Betifaga any amin’ny tendrombohitra Oliva dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka niteny taminy hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, fa avy hatrany dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany miaraka aminy ianareo; vahao izy dia ento etỳ Amiko. Ary raha misy miteny anareo dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; ary havelany hoentinareo avy hatrany izy. Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: «Lazao amin’i Ziona zanakavavy; indro ny Mpanjakanao avy ho anao, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa.» Ary nandeha ny mpianatra ka nanatanteraka izay toromarika nomen’i Jesosy azy, koa noentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, dia nitaingina azy Jesosy. Ary ny ankabeazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ny sasany dia nanapaka rantsan-kazo ary nampihahaka izany teny an-dalana. Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantsoantso hoe: « Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Hosana any amin’ny avo indrindra» (Sal 118.26). Nony efa tafiditra tao Jerosalema Izy dia nihotakotaka ny tanàna manontolo ka niteny hoe: Iza moa izao? Ary nilaza ny vahoaka hoe: Izao no Jesosy mpaminany izay avy any Nazareta any Galilia. Ary Jesosy niditra tao amin’ny tempoly dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala; dia hoy Izy tamin’izy ireo: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11). Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy tao amin’ny tempoly dia nositraniny. Fa nony hitan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ny zava-mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantsoantso ao amin’ny tempoly hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Dia tezitra ry zareo ka niteny Taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy: Eny; mbola tsy novakinareo mihitsy va fa: «Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana» (Sal 8.2)? Dia nandao azy ireo Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania ary nitoetra tany nandritra ny alina. Rehefa niverina ho any an-tanàna Izy, nony maraina, dia nahatsiaro noana. Nahita hazo aviavy iray teo amoron-dalana anefa Izy dia nanatona, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina niaraka tamin’izay ilay hazo aviavy. Ary nony hitan’ny mpianatra izany dia gaga izy ireo ka niteny hoe: Ahoana re no dia nahamaina tampoka io aviavy io? Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo hoe: Mifindrà ka mianjerà any anaty ranomasina, dia ho tonga izany. Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany. Rehefa tafiditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nampianatra dia nanatona Azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ka niteny hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Hanontany anareo zavatra tokana kosa Aho, koa raha voavalinareo izany dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany Aho: Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Ary nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha lazaintsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany isika hoe: Koa nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha lazaintsika kosa hoe: Avy amin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika satria eken’ny rehetra fa mpaminany i Jaona. Dia namaly an’i Jesosy izy ireo hoe: Tsy fantatray. Dia hoy koa Jesosy taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao. Fa ahoana kosa ny hevitrareo? Nisy lehilahy iray nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka niteny hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanim-boaloboka anio. Fa namaly izy hoe: Tsy handeha aho; nefa nony avy eo dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary namaly azy kosa izy hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Koa iza amin’izy mirahalahy moa no nanao ny sitrapon’ny rainy? Dia hoy ireo: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga dia mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fa nankany aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Jaona, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina avy eo mba hinoanareo azy. Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanamboatra tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana teo anatiny ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ary nandeha ho any an-tany lavitra izy. Ary rehefa nanakaiky ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ny vokatra. Ny mpiasa tany anefa dia nisambotra ireo mpanompony, koa ny iray dia nokapohiny, ny iray dia novonoiny ary ny iray dia notorahany vato. Dia naniraka mpanompo hafa indray izy, maro noho ny teo; nefa nataony toy izany koa ireny. Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo. Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ilay zanaka, dia nifampiresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika dia ho lasantsika ny lovany. Dia nosamborin’ireo izy ka navoakany teny ivelan’ny tanim-boaloboka ary novonoiny. Koa rehefa tonga ny tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa ireo mpiasa tany ireo? Hoy ireo taminy: Ho loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ny mpiasa tany hafa izay hanome azy ny vokatra amin’izay fotoanany. Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo akory tao amin’ny Soratra Masina va izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no tonga vato fehizoro; avy tamin’NY TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika?» (Sal 118.22, 23) Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. Ary izay potraka amin’ity vato ity dia ho torotoro, ary na zovy na zovy no hianjerany dia ho montsamontsana. Ary rehefa ren’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’i Jesosy dia fantany fa ny tenan-dry zareo no nolazainy tamin’izany. Dia nitady hisambotra Azy izy ireo, saingy natahotra ny vahoaka satria neken’ny vahoaka ho mpaminany Jesosy. Ary Jesosy mbola niteny taminy tamin’ny fanoharana hafa hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray izay nanao fanasana noho ny amin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. Ary naniraka ny mpanompony izy hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady; nefa tsy nety ho avy ireo. Dia naniraka mpanompo hafa indray izy ka niteny hoe: Lazao amin’ireo izay efa nasaina hoe: Indro, efa vonona ny sakafo nomaniko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko ka efa vonona avokoa ny zavatra rehetra; koa tongava amin’izay atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo. Nefa tsy nahoan’ireo akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray dia ho any amin’ny sahany, ny iray dia ho any amin’ny varony. Ary ny sisa dia nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy. Dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany dia nandringana ireny mpamono olona ireny sady nandoro ny tanànany. Dia hoy izy tamin’ny mpanompony: Efa vonona ny fampakaram-bady fa ireo izay nasaina no tsy mendrika. Koa mankanesa ianareo eny amin’ny sampanan-dalana ary izay hitanareo dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady. Dia nandeha ho eny amin’ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy na ny tsara; dia feno mpiara-misakafo ny fampakaram-bady. Nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpiara-misakafo dia nahita lehilahy iray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy manana ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Dia tsy nahateny izy. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tanany dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Fa maro no antsoina nefa vitsy no fidina. Ary tamin’izay dia lasa ny Fariseo ka nikaon-doha mba hamandrika Azy amin’ny teniny. Koa naniraka ny mpianany mbamin’ny Herodiana hankeo aminy izy ireo ka niteny hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra ary tsy miahiahy olona satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao. Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara sa tsia? Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany ka hoy Izy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy? Asehoy Ahy ny vola fandoa amin’ny hetra. Dia nitondrany denaria iray Izy. Dia hoy Jesosy taminy: An’iza ity sary sy soratra ity? Hoy ireo Taminy: An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Ary gaga izy ireo nony nahare izany, dia nandao Azy ka lasa nandeha. Tamin’io andro io ihany dia nankeo amin’i Jesosy ny Sadoseo sasany izay nilaza fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty ka nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, i Mosesy dia nilaza hoe: «Raha misy lehilahy maty momba dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny» (Deo 25.5). Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary nampaka-bady ny zokiny dia maty, ary satria tsy niteraka izy dia navelany ho an’ny rahalahiny ny vadiny; ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito. Ary tao aorianan’izy rehetra dia maty koa Ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy moa Ravehivavy? Satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra. Fa Jesosy namaly azy ireo hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsy fahafantaranareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra. Fa amin’ny fitsanganan’ny maty dia tsy mba hisy olona hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Koa ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa mbola tsy novakinareo va ny teny nataon’Andriamanitra taminareo milaza hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba (Eks 3.6)? Andriamanitra tsy an’ny maty fa an’ny velona.» Ary ny vahoaka, raha nandre izany, dia talanjona tamin’ny fampianarany. Ny Fariseo, nony nandre fa gina teo anatrehan’i Jesosy ny Sadoseo, dia nivory teo amin’ny toerana iray. Ary ny iray tamin’ireo, izay mpahay lalàna, dia nanontany naka fanahy Azy hoe: Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna? Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5). Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna manontolo sy ny mpaminany. Ary rehefa tafavory ny Fariseo dia nanontany azy ireo Jesosy hoe: Ahoana ny hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy? Dia hoy ireo Taminy: Zanak’i Davida. Fa hoy Jesosy tamin’izy ireo: Koa nahoana ary i Davida, amin’ny Fanahy, no miantso Azy hoe Tompo, sady miteny hoe: «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao» (Sal 110.1)? Koa raha i Davida ary miantso Azy hoe: Tompo, ahoana no maha Zanany Azy? Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony. Ary tamin’izany Jesosy dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany hoe: Eo amin’ny fitoeran’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo; koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy nefa tsy manatanteraka. Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza. Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany ary ataony vaventy ny morontongotr’akanjony. Ary tia ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana, sy ny fipetrahana eny anoloana eo amin’ny sinagoga izy ary koa ny hoarahabain’ny olona eny an-tsena sy ny hataon’ny olona hoe: Raby ô! Fa ianareo kosa dia aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo koa; fa iray ihany no Ray dia izay any an-danitra. Ary aza mba mety antsoina hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo dia Kristy. Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra. Fa lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy, fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa tsy miditra ianareo ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ny mpitondratena, dia manao vavaka lavareny mba ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fanamelohana mafimafy kokoa. Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo prozelita iray monja; ary rehefa azonareo izy dia ataonareo zanaky ny afobe indroa mihoatra noho ianareo. Lozanareo, jamba nefa mpitarika izay milaza hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly dia mamato-tena izy. Ry adala sy jamba! Inona no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny alitara dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny dia mamato-tena izy. Ry jamba! Inona no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny alitara, dia mianiana aminy sy amin’ny zavatra rehetra izay eo amboniny. Ary izay mianiana amin’ny tempoly dia mianiana aminy sy amin’izay mitoetra ao aminy. Izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’izay mipetraka eo amboniny. Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe indrindra amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto no tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony ho navelanao iretsy. Ry jamba nefa mpitarika! Tantavaninareo ny moka nefa atelinareo ny rameva. Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia nefa ny ao anatiny dia feno fandrobana sy tsy fahononana. Ry Fariseo jamba! Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny ivelany. Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho ho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolam-paty mbamin’ny fahalotoana rehetra. Dia tahaka izany koa ianareo: Raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna. Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa manorina ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ny olona marina, koa hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ny razanay izahay dia tsy mba ho niombona taminy handatsa-dra ny mpaminany. Dia miampanga tena ianareo fa zanak’izay namono ny mpaminany. Ary ianareo izao dia efa nahafeno ny kapoaka famaran’ny razanareo. Ry bibilava, ry taranaky ny menarana! Hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny afobe? Ary noho izany dia indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanoradalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany dia hovonoinareo sy hohomboinareo amin’ny hazofijaliana, ny sasany dia hokapohinareo ao amin’ny sinagoganareo sy henjehinareo any amin’ny tanàna sy vohitra mba hanody anareo ny ran’ny tsy manan-tsiny rehetra, izay nalatsaka tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny alitara. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho ao aminy, impiry Aho no ta hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany fa tsy nety ianareo! Indro, ho lao ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO. Rehefa niala tao amin’ny tempoly Jesosy dia lasa nandeha; ary nanatona Azy ny mpianany mba hampijery Azy ny rafitry ny tempoly. Hoy Izy anefa taminy: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eo ka tsy horavana. Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka niteny hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany ary izay ho famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao. Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin’ny anarako hilaza hoe: Izaho no Kristy ka maro no ho voafitany. Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izay no farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny tany samihafa. Fa izany rehetra izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana. Ary hatolony hampijaliana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. Amin’izany andro izany dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala. Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka olona maro. Ary noho ny haben’ny tsy fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Ary hotorìna manerana izao tontolo izao ity Filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra dia izay vao ho tonga ny farany. Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; izay ao an- tampon-trano dia aoka tsy hidina haka ny entany ao an-tranony; ary izay any an-tsaha dia aoka tsy hiverina haka ny akanjony. Loza ny hahazo ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany! Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny Sabata no handosiranareo. Fa amin’izay andro izay dia hisy fahoriana lehibe, izay mbola tsy nisy toy izany hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy hafohezina izany andro izany dia tsy misy nofo ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. Koa raha misy miteny aminareo hoe: Indro, atỳ Kristy, na: Indro, arỳ Izy, aza mino izany ianareo. Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azony atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Indro, efa voalazako taminareo rahateo izany. Ary amin’izany, raha misy miteny aminareo hoe: Indro, any an-tany efitra Izy, aza mankany ianareo; indro, ao amin’ny efitrano Izy dia aza mino izany. Fa tahaka ny tselatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’Olona. Fa izay itoeran’ny faty, any no hiangonan’ny voromahery. Raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo dia hohamaizinina ny masoandro ary tsy hahazava ny volana; hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintana ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra. Amin’izay no hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’Olona ka hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’Olona avy amin’ny hery sy voninahitra lehibe eny amin’ny rahon’ny lanitra izy. Ary haniraka ny anjeliny Izy, miaraka amin’ny feon’ny trompetra mafy, ary izy ireo dia hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faravodilanitra rehetra. Mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsany ka mandravina dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky, efa eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho tapitra izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany dia ho levona, fa ny teniko dia tsy mba ho levona. Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Fa tahaka ny tamin’ny andron’i Noa dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’Olona. Tahaka ny tamin’ny andro mialoha ny safodrano koa, raha nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, ary tsy nahafantatra izy ireo raha tsy tonga ny safodrano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’Olona. Ary amin’izany dia hisy roa lahy any an-tsaha; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fotoam-piambenana amin’ny alina izay hahatongavan’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina. Noho izany, miomàna koa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’Olona. Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ireo sakafo ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka mahita azy manatanteraka izany. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy avy eo. Fa raha miteny anakampo kosa ny mpanompo ratsy fanahy hoe: Maharitra ela ny tompoko ka mikapoka ny mpanompo namany ary miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, koa hokapohiny mafy izy sady homeny anjara miaraka amin’ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijiny folo izay nitondra ny fanalany ka niainga mba hitsena ny mpampakatra. Ny dimy tamin’ireo dia adala fa ny dimy kosa dia hendry. Fa nandray ny fanalany ny adala nefa tsy nitondra solika fiandry; ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra dia samy rendremana izy rehetra ka natory. Nefa nony misasakalina dia nisy antso hoe: Iny ny mpampakatra! Mitsangàna mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijiny rehetra ireo ka samy nanamboatra ny fanalany. Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. Fa namaly azy ireo ny hendry hoe: Tsia, tsy ampy ho anay sy ho anareo ny anay, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra ka mividiana ho anareo. Nefa raha mbola lasa nividy izy ireo dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady dia narindrina ny varavarana. Taorianan’izany vao tonga kosa ireo virijiny sisa ka niteny hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay! Fa hoy izy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny olona iray izay handeha ho any an-tany lavitra ka niantso ny mpanompony dia nanolotra azy ireo ny fananany: Koa ny iray dia nomeny talenta dimy, ny iray dia talenta roa ary ny iray dia talenta iray, samy araka izay fahaiza-manaony avy; dia lasa nandeha izy. Avy hatrany dia lasa ilay nandray ny talenta dimy ka nampiasa izany; ary nahazo tombony talenta dimy hafa izy. Toy izany koa, ilay nandray ny talenta roa dia nahazo tombony roa. Fa ilay nandray ny talenta iray kosa dia lasa nihady tany ka nanafina ny volan’ny tompony tao. Nony ela dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ary nampamoaka azy ireo ny amin’ny volany. Nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy dia nitondra talenta dimy hafa koa ka niteny hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy hafa aho. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Nanatona koa ilay nandray ny talenta roa dia niteny hoe: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa hafa aho. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voa tsy ary ianao ka mijinja eny amin’izay tsy namafazanao sady manangona eny amin’izay tsy nanelezanao; dia natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany; indro, lasanao ny anao. Ary ny tompony dia namaly azy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho ary manangona eny amin’izay tsy nanelezako; koa tokony ho nametraka ny volako tany amin’ny mpampisambo-bola ianao, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zana-bola. Koa alao eny aminy ny talenta dia omeo ilay manana ny talenta folo. Fa izay rehetra manana dia homena ka hanam-be; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ary raha tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’Olona, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny Izy; ary hovoriana eo anatrehany ny firenena rehetra dia hanavaka azy ireo Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; koa hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy fa ny osy kosa dia eo amin’ny ankaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo. Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay? Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko. Hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny; fa noana Aho nefa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho nefa tsy mba nampisotroinareo; nivahiny Aho nefa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho nefa tsy mba nampiakanjoinareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho nefa tsy mba novangianareo. Ary hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? Fa Izy hamaly azy ireo hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo Tamiko. Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Rehefa vitan’i Jesosy izany teny rehetra izany dia nilaza tamin’ny mpianany Izy hoe: Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’Olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazofijaliana. Ary tamin’izany ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona dia nivory tao amin’ny lapan’ny Mpisoronabe antsoina hoe Kaiafa. Ary niara-nihevitra ny hisambotra an’i Jesosy amin’ny fitaka izy ireo ka hamono Azy; kanefa hoy izy: Tsy amin’ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba eo amin’ny vahoaka. Ary nony tany Betania, tao an-tranon’i Simona boka, Jesosy, dia nanatona Azy ny vehivavy iray nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra tena sarobidy, koa nararany tamin’ny lohan’i Jesosy izany, raha nipetraka nisakafo Izy. Nony nahita izany ny mpianatra dia tezitra ka niteny hoe: Inona no anton’izao fandaniam-poana izao? Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny mahantra. Ary fantatr’i Jesosy izay nataon’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo io vehivavy io? Fa asa soa no nataony tamiko. Satria ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Nandraraka io menaka manitra io tamin’ny tenako izy, fa ny hanamboarany Ahy halevina no nanaovany izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao no itoriana ity Filazantsara ity dia hotantaraina koa izay nataon’ity vehivavy ity mba ho fahatsiarovana azy. Ary ny iray tamin’ny roa amby folo lahy, izay antsoina hoe Jodasy iskariota, dia nankao amin’ireo lehiben’ny mpisorona ka niteny hoe: Homenareo ohatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy ireo nandanja sekela volafotsy telopolo homena azy. Hatramin’izay no nitadiavany izay andro hahazoany manolotra Azy. Tamin’ny voalohany amin’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka niteny hoe: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho anao? Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin’ny lehilahy iray ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoanandroko; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska. Ary ny mpianatra dia nanatanteraka izay toromarika nomen’i Jesosy ka nanomana ny Paska. Ary nony hariva ny andro dia nipetraka hisakafo Izy mbamin’ny mpianatra roa amby folo lahy. Ary raha mbola nihinana izy ireo dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny iray aminareo no hamadika Ahy. Dia nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany Azy ny tsirairay hoe: Moa izaho va izany, Tompoko? Ary Izy namaly hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tanany Tamiko tao anatin’ny lovia, izy no hamadika Ahy. Ny Zanak’Olona dia mandeha tokoa araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy. Ary hoy i Jodasy ilay hanolotra Azy: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao. Ary raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa rehefa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray ny kapoaka Izy, koa rehefa nisaotra Izy, dia natolony azy ka nataony hoe: Misotroa amin’ity ianareo rehetra; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Ary lazaiko aminareo fa manomboka izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-piavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko. Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. Ary tamin’izany dia hoy Jesosy taminy: Ianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny Amiko anio alina; fa voasoratra hoe: «Hamely ny mpiandry Aho dia hihahaka ny ondry andrasana» (Zak 13.7). Fa rehefa tafatsangana amin’ny maty Aho dia hialoha anareo any Galilia. Fa hoy i Petera Taminy: Na dia ho tafintohina noho ny Aminao aza ny olona rehetra, izaho dia tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana. Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handa Ahy intelo ianao. Hoy i Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’ny mpianatra rehetra. Ary Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha iray antsoina hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. Dia nitondra an’i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedio Izy, sady nalahelo am-po sy ory indrindra. Hoy Izy tamin’izy roa lahy: Fadiranovana loatra toy ny efa ho faty ny fanahiko; mitoera eto ka miaraha miari-tory Amiko. Ary nony nandroso kelikely Izy dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao dia aoka hesorina Amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao fa ny Anao. Nankeo amin’ny mpianatra Izy avy eo ka nahita azy ireo matory; dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay tsy mahazaka ny miara-miari-tory Amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery. Dia nihataka fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. Ary nony niverina indray Izy dia nahita azy ireo matory; fa efa nilondolondo ny masony. Dia nandao azy ireo Izy ka lasa indray nivavaka fanintelony, ary ilay teniny teo ihany no naveriny. Niverina teo amin’ny mpianatra indray Izy avy eo sady niteny hoe: Matoria ary ianareo ankehitriny ka mialà sasatra, indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanota. Mitsangàna, andeha isika, indro, efa manakaiky ilay manolotra Ahy. Ary raha mbola niteny Jesosy dia indro, avy i Jodasy izay iray amin’ny roa amby folo lahy, miaraka amin’ny vahoaka betsaka, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona. Ary ilay nanolotra Azy nanome famantarana ny olona ka niteny hoe: Izay horohako no Izy ka sambory. Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesosy izy ka niteny hoe: Finaritra, Raby! Dia norohany izy. Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nahatongavanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’i Jesosy ary nitana Azy. Ary indro, ny iray tamin’ireo izay niaraka tamin’i Jesosy dia nanatsotra ny tanany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapoka ny mpanompon’ny Mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny. Fa hoy Jesosy: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra dia ho fatin’ny sabatra. Heverinao va fa tsy azoko atao ny mangataka amin’ny Raiko dia haniraka anjely maherin’ny roa amby folo legiona ho atỳ Amiko Izy eo no eo? Raha izany anefa, hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao? Ary tamin’izany ora izany dia niteny tamin’ny vahoaka Jesosy hoe: Tonga mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isanandro dia nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly Aho nefa tsy nisambotra Ahy ianareo. Nefa moa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Tamin’izany tokoa dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra. Ary ireo izay nisambotra an’i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’i Kaiafa mpisoronabe, tao amin’izay nivorian’ny mpanoradalàna sy ny loholona. Ary i Petera dia nanaraka Azy teny lavidavitra teny hatrany amin’ny lapan’ny Mpisoronabe; dia niditra izy ka niara-nipetraka tamin’ireo mpiandry raharaha mba hahita izay ho farany. Ary ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny Sinedriona rehetra dia nitady teny hoentiny miampanga lainga an’i Jesosy mba hamonoany Azy; nefa tsy nahita izy ireo, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay niteny hoe: Ilehity dia nilaza hoe: Mahay mandrava ny tempolin’Andriamanitra Aho sy manangana azy ao anatin’ny hateloana. Dia nitsangana ny Mpisoronabe ka niteny tamin’i Jesosy hoe: Tsy manana havaly va Ianao? Inona no iampangan’ireo Anao? Nefa nangina Jesosy. Dia hoy ny Mpisoronabe Taminy: Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Ianao hilaza aminay, raha Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra. Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; nefa, lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’Olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery ary tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra. Tamin’izay ny Mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Efa niteny ratsy Izy; inona no mbola ilàntsika vavolombelona indray? Indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao. Ahoana ny hevitrareo? Ary namaly izy ireo hoe: Mendrika hohelohina ho faty Izy. Dia nandrora ny tavany sy nanisy totohondry Azy izy ireo, ary ny sasany dia namely tehamaina sady niteny hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao teo? Ary i Petera dia nipetraka teo ivelany, teo an-kianja; nanatona azy ny ankizivavy iray ka niteny hoe: Ianao koa dia niaraka tamin’i Jesosy, ilay Galiliana. Fa nandà teo anatrehan’izy rehetra izy ka niteny hoe: Tsy fantatro izay lazainao. Ary nony niala ho eo am-bavahady izy dia nahita azy koa ny ankizivavy iray hafa ka nilaza tamin’izay teo hoe: Ity koa niaraka tamin’ilay Jesosy avy any Nazareta. Dia nandà indray tamin’ny fianianana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany. Nony afaka kelikely, nanatona ireo izay nijanona teo ka nilaza tamin’i Petera hoe: Marina tokoa fa naman’ireny ianao; fa ny fiteninao no miampanga anao. Dia nanomboka niozona sy nianiana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno. Ary nahatsiaro ny tenin’i Jesosy i Petera, dia ilay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno dia handa Ahy intelo ianao. Ary lasa nandeha tany ivelany izy dia nigogogogo nitomany. Nony maraina ny andro dia nikaon-doha ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny loholona hiampanga an’i Jesosy mba hamonoany Azy ho faty. Ary rehefa nafatony Izy dia noentiny ka natolony an’i Pilato governora. Fa i Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekela volafotsy telopolo tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona sady niteny hoe: Nanota aho satria namadika ny ran’ny tsy manan-tsiny. Fa hoy ireo: Ahoanay inona izany fa raharahanao! Ary rehefa avy nanipy ny vola teo amin’ny tempoly izy dia lasa nandeha ka nananton-tena. Ary ny lehiben’ny mpisorona dia nandray ny vola ka niteny hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly ity fa vidin-dra. Koa rehefa nikaon-doha izy ireo dia novidiny tamin’ilay vola ny sahan’ny mpanefy vilany mba ho fandevenam-bahiny. Ary izay no iantsoana izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-dra. Ary tamin’izany dia tanteraka izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany hoe: «Dia nalainy ny volafotsy telopolo, vidin’ilay notombanan’ny Zanak’Israely, ka nomeny hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany izany, araka izay nandidian’NY TOMPO ahy» (Jer 18.2; Zak 11.13). Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ny governora; dia nanontany Azy ny governora hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Hoy Jesosy: Voalazanao. Ary rehefa nampangain’ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny loholona Izy dia tsy namaly akory. Hoy i Pilato Taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangan’ireo Anao izany? Fa tsy namaly azy Izy na dia indraimbava aza ka gaga tokoa ny governora. Isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ny governora ny manafaka mpifatotra iray ho an’ny vahoaka, araka izay tiany. Ary tamin’izany nisy mpifatotra malaza iray antsoina hoe Barabasy. Koa nony tafangona teo ny olona dia hoy i Pilato: Iza moa no tianareo hafahako ho anareo, i Barabasy sa Jesosy izay lazaina hoe Kristy? Fantany mantsy fa fialonana no nanoloran’ireo Azy. Ary rehefa nipetraka teo amin’ny fitsarana izy dia nandefa iraka hankeo aminy ny vadiny hilaza aminy hoe: Aza manao na inona na inona amin’izany Lehilahy marina izany fa nampahory be ahy androany ny nanofisako Azy. Ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny loholona anefa dia nitaona ny vahoaka mba hangataka an’i Barabasy ka hampamono an’i Jesosy. Fa hoy ny governora tamin’izy ireo: Iza amin’izy roa lahy moa no tianareo hafahako ho anareo? Dia hoy izy rehetra: I Barabasy. Ary hoy i Pilato: Ahoana kosa ary no hataoko amin’i Jesosy izay lazaina hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy. Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy rehetra hoe: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy! Ary rehefa hitan’i Pilato fa tsy nisy hevitra, fa vao mainka nitombo ihany ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady niteny hoe: Tsy manan-tsiny amin’ny ran’ity Lehilahy ity aho fa raharahanareo. Ary hoy ny olona rehetra hoe: Aoka ny rany ho aminay sy ny zanakay. Dia nanafaka an’i Barabasy ho an’ny olona izy; fa Jesosy kosa dia nasainy nokaravasina ary natolony mba hohomboina amin’ny hazofijaliana. Ary ny miaramilan’ny governora dia nitondra an’i Jesosy ho ao anaty lapa sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo Aminy. Ary nanala ny akanjon’i Jesosy izy ireo dia nampitafy Azy lamba jaky. Dia nandrandrana satroka tsilo ho Azy izy ireo ka nasatrony ny lohany, ary nampitanany volotara ny tanany havanana dia nandohalika teo anatrehany izy ireo ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy! Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany. Rehefa naneso Azy avy izy ireo dia nanala ilay lamba jaky Taminy ka nampiakanjo Azy indray, ary noentiny mba hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy. Ary raha nandeha izy ireo dia nahita lehilahy kireniana iray, Simona no anarany, izy io no notereny hitondra ny hazofijalian’i Jesosy. Rehefa tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Golgota, izany hoe Ikarandoha, dia nomeny divay miharo ranon’afero Izy hosotroiny; nefa nony nanandrana izany Izy dia tsy nety nisotro. Ary rehefa voahombony tamin’ny hazofijaliana Izy dia nataony antsapaka no fizara ny fitafiany. Ary nipetraka ry zareo ka niambina Azy teo. Ary napetany teo ambonin’ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy hoe: ity no jesosy, mpanjakan’ny jiosy. Ary nisy jiolahy roa nohomboina niaraka Taminy, ny iray dia teo amin’ny ankavanany ary ny iray dia teo amin’ny ankaviany. Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha no niteny hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana. Ary naneso toy izany koa ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna sy ny loholona ka niteny hoe: Novonjeny ny sasany fa ny tenany dia tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ny Israely Izy! Aoka hidina hiala amin’ny hazofijaliana Izy ankehitriny dia hino Azy izahay; natoky an’Andriamanitra Izy! Aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany (Sal 22.8), satria hoy Izy: Zanak’Andriamanitra Aho. Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboina Taminy. Hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia maizina ny tany manontolo. Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? Izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao (Sal 22.1)? Ary ny sasany tamin’izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nilaza hoe: Miantso an’i Elia Ilehio. Ary niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny iray tamin’izy ireo ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ny vinaingitra izany dia notohiziny tamin’ny volotara ka natohony hotsentsefin’i Jesosy. Fa ny sasany kosa dia niteny hoe: Aoka hoe hojerentsika na ho avy hamonjy Azy i Elia na tsia. Ary rehefa niantso tamin’ny feo mahery indray Jesosy dia nanolotra ny fanahiny. Dia indro ny efitra lamba tao amin’ny tempoly fa triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; nihorohoro koa ny tany ka nitresaka ny vatolampy; ary nisokatra ny fasana ka maro ny fatin’ny olona masina izay efa nodimandry no natsangana, dia nivoaka avy tao amin’ny fasana ireny taorianan’ny nitsanganan’i Jesosy ka nankao amin’ny Tanàna Masina sady niseho tamin’ny olona maro. Ary ny kapiteny sy ireo niaraka taminy niambina an’i Jesosy, raha nahita ny horohoron-tany mbamin’izay zava-niseho teo, dia raiki-tahotra indrindra ka niteny hoe: Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io. Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra teny, dia ireo izay nanaraka an’i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy. Isan’ireny i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Jakoba, ary i Josesy sy ny renin’ny zanak’i Zebedio. Nony hariva ny andro dia tonga ny lehilahy mpanankarena iray, avy any Arimatia, Josefa no anarany, ary izy koa dia mpianatr’i Jesosy. Nankao amin’i Pilato izany lehilahy izany ka nangataka ny fatin’i Jesosy. Dia nasain’i Pilato nomena azy izany. Ary rehefa nalain’i Josefa ny faty ka nofonosiny lamba hariry madinika madio dia naleviny tao amin’ny fasany vaovao izay efa nolavahany tao amin’ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy dia lasa nandeha. Ary teo i Maria Magdalena sy ilay Maria hafa ka nipetraka tandrifin’ny fasana. Nony ampitson’ny andro fiomanana dia nivory teo amin’i Pilato ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ka niteny hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nilaza hoe: Raha afaka hateloana dia hitsangana Aho. Koa asaivo ambenana tsara ny fasana mandra-pahatongan’ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka hangalatra Azy dia hilaza amin’ny olona hoe: Efa nitsangana tamin’ny maty Izy; koa ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. Hoy i Pilato: Makà ary mpiambina ka mandehana ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana. Nony lasa ireo dia nasainy nambenan’ny mpiambina mafy ny fasana, rehefa avy nasiany tombo-kase ny vato. Tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa. Dia indro, nisy horohoron-tany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. Ny fijery azy dia tahaka ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny orampanala; ary tora-kovitra noho ny tahotra azy ny mpiambina ka tonga tahaka ny maty. Ary ilay anjely dia niteny tamin’ireo vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo, fantatro fa Jesosy, ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay efa nolazainy. Avia ka jereo ny toerana nandriany. Dia mandehana haingana ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary indro, mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho. Dia niala haingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, ary nihazakazaka hilaza amin’ny mpianany. Nefa indro Jesosy nifanena taminy sady niteny hoe: Finaritra. Ary nanatona izy ireo dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. Dia hoy Jesosy: Aza matahotra; fa mandehana, ilazao ny rahalahiko mba hankany Galilia; fa any no hahitany Ahy. Ary nony lasa izy ireo dia indreny ny mpiambina sasany dia nankany an-tanàna ka nilaza tamin’ny lehiben’ny mpisorona ny zavatra rehetra izay niseho. Ary rehefa tafavory izy ireo mbamin’ny loholona dia nikaon-doha ka nanome vola be ny miaramila sady niteny hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga ka nangalatra Azy alina, raha sendra natory izahay; ary raha misy milaza izany amin’ny governora, izahay no handresy lahatra azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo. Dia nandray ny vola izy ireo ka nanatanteraka ny teny nomena azy; ary izany teny izany dia naelin’ny Jiosy mandraka androany. Ary ny mpianatra iraika amby folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany. Ary nony nahita Azy izy ireo dia niankohoka, nefa ny sasany dia nisalasala. Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Ny niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Araka izay voasoratra ao amin’Isaia mpaminany hoe: «Indro Aho maniraka ny irako hialoha Anao; izy no hanamboatra ny lalanao» (Mal 3.1); «Injany! Misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany» (Isa 40.3), dia niseho i Jaona izay nanao batisa tany an-tany efitra ary nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka. Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia manontolo sy ny mponina tsy an-kanavaka tany Jerosalema ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny rehefa niaiky ny fahotany avy. I Jaona dia nitafy lamba volon-drameva; fehikibo hoditra no teny aminy ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. Ary nitoriteny izy hoe: Indro, avy ao aorianako Ilay mahery noho izaho ary tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho. Izaho dia nanao batisa anareo tamin’ny rano fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina. Tamin’izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’i Jaona batisa tao Jordana. Ary raha vao niakatra avy tao anaty rano Izy dia hitany ny lanitra nisokatra ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo Aminy. Ary nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe: Ianao no Zanako malalako; Ianao no sitrako. Niaraka tamin’izay dia natosiky ny Fanahy ho any an-tany efitra Izy. Nitoetra tany an-tany efitra efapolo andro Izy ka nalain’i Satana fanahy. Teo amin’ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ireo anjely. Rehefa voasambotra i Jaona dia nankany Galilia Jesosy nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra ka nanambara hoe: Efa tonga izao ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara. Ary raha nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy dia nahita an’i Simona sy i Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy. Ary rehefa nandroso kelikely Izy dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy ireo niaraka tamin’izay Izy; ary nandao an’i Zebedio rainy mbamin’ny olona nokaramainy tao an-tsambokely izy mirahalahy dia nanaraka an’i Jesosy. Nankany Kapernaomy izy ireo; ary nony tamin’ny Sabata dia niditra avy hatrany tao amin’ny sinagoga Jesosy ka nampianatra. Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy fa tsy mba tahaka ny mpanoradalàna. Tamin’izay indrindra dia nisy olona iray teo amin’ny sinagogany, izay azon’ny fanahy maloto; ary niantso mafy Ralehilahy hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao! Ary Jesosy niteny mafy azy hoe: Mangìna ianao ka mialà aminy. Ary nampifanintontsintona ny tenan’ilay marary ny fanahy maloto, dia niantso tamin’ny feo mahery vao niala taminy. Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Fa ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! Fa ny fanahy maloto aza no didiany dia manaiky Azy. Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’izay teny amin’ny tontolo manodidina tamin’ny tany rehetra manerana an’i Galilia. Fa tamin’izay fotoana izay, raha niala avy tao amin’ny sinagoga izy ireo, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy i Andrea ry Jesosy sy i Jakoba ary i Jaona. Ary ny rafozambavin’i Simona dia nandry tao, voan’ny tazo; avy hatrany dia nolazain’izy ireo Taminy izany. Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy ka afaka ny tazony ary nanompo azy ireo izy. Nony hariva ny andro ka nilentika ny masoandro dia noentina tany Aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka. Ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ny varavarana avokoa. Ary nanasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samihafa Izy sady nandroaka demonia maro; tsy navelany hiteny ny demonia satria nahafantatra Azy ireny. Ary nifoha maraina be Izy dia nandeha nankany an-tany efitra, ary tany Izy no nivavaka. Nandeha nitady Azy i Simona sy ny namany, koa rehefa nahita Azy izy ireo dia niteny Taminy hoe: Mitady Anao ny olona rehetra. Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hifindra hankany amin’ny tanàna hafa etỳ amin’ny manodidina mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. Dia nandeha Izy ka nitoriteny tany amin’ny sinagogan’ny olona manerana an’i Galilia sady nandroaka ny demonia. Ary nisy boka iray nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany no niteny taminy hoe: Raha mety Ianao dia afaka manadio ahy. Ary onena azy Jesosy ka nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokana ka nadio izy. Ary namepetra azy mafy Jesosy sady nampandeha azy avy hatrany no niteny taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza izao, fa mandehana, misehoa aloha amin’ny mpisorona ka manolora ny fanatitra fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo. Nefa lasa Ralehilahy ka nanomboka nitantara sy nampiely izay zava-niseho, hany ka tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy fa nitoetra tany ivelany tany amin’ny tany efitra Izy; dia nanatona Azy ny olona avy teny amin’ny manodidina rehetra. Rehefa afaka andro vitsivitsy dia niditra tao Kapernaomy indray Izy. Re fa tao amin’ny trano iray Jesosy, ary maro ny olona tafavory tao ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan’ny varavarana aza. Ary nitoriany teny ireo. Dia nisy nanatona nitondra lehilahy malemy ho eo Aminy, marary izay nolanjain’olona efa-dahy. Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka dia nanesorany ny tafon’ny trano nisy an’i Jesosy ka nony efa voasokatra izany dia nampidininy avy teo ny fandriana izay nandrian’ilay malemy. Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia niteny tamin’ilay malemy hoe: Anaka, voavela ny helokao. Ary nisy mpanoradalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? Avy hatrany Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa izany no eritreritra tao am-pon’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? Inona moa no moramora kokoa, ny milaza amin’ilay malemy hoe: Voavela ny helokao, sa ny milaza hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka mandehana? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona dia manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka nibata ny fandrianany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. Lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianatra azy ireo Izy. Teny am-pandehanana Izy dia nahita an’i Levy, zanak’i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; koa hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Levy Izy dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nisakafo tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany, satria maro izy ireo no nanaraka Azy. Ary ny mpanoradalàna, izay isan’ny Fariseo, raha nahita Azy niara-nipetraka nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! Raha nahare izany Jesosy dia niteny taminy hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota. Tamin’izany fotoana izany dia nifady hanina ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo. Dia avy izy ireo ka niteny tamin’i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina fa ny mpianatrao kosa dia tsy mba mifady? Hoy Jesosy taminy: Afaka mifady hanina va ireo havan’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ny mpampakatra dia tsy afaka hifady hanina izy. Fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra hiala aminy ka amin’izay andro izay vao mifady hanina izy ireo. Tsy misy olona manjaitra tapa-damba vaovao izay mbola tsy voasasa, amin’ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina, dia handrovitra ny tonta ka hiitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany dia hahatriatra ny siny hoditra ny divay ka samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no hatao ao anaty siny hoditra vaovao. Raha nandeha namakivaky tanimbary iray tamin’ny Sabata Jesosy dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany. Dia hoy ny Fariseo Taminy: Jereo, nahoana ireo no manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata? Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin’izay nanaraka azy? Fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, kanefa io mofo io dia mahadiso raha misy homana azy, afa-tsy ny mpisorona; ary nomeny koa izay nanaraka azy. Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata, koa Tompon’ny Sabata ihany koa ny Zanak’Olona. Ary niditra tao amin’ny sinagoga indray Jesosy. Ary indro, nisy lehilahy iray maty tanana tao. Ary nijery izay ho fihetsiny ny olona, na hanasitrana an’ilay marary amin’ny Sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy. Dia hoy Jesosy tamin’ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany. Ary hoy koa Izy tamin’ny olona: Inona moa no tokony hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va sa ny mamono? Fa tsy nisy niteny ny olona. Ary nibanjina azy ireo tamim-pahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ny fony ka hoy Izy tamin-dRalehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ka sitrana ny tanany. Ary niala tao amin’ny sinagoga ny Fariseo ka avy hatrany dia nikaon-doha niaraka tamin’ny Herodiana hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy. Ary niala teo Jesosy mbamin’ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina. Nisy olona marobe avy tany Galilia nanaraka Azy, ary nisy olona marobe koa avy tany Jodia, Jerosalema, Edoma, avy tany andafin’i Jordana sy ny tany manodidina an’i Tiro sy i Sidona izay nandre izay zavatra nataony ka nankany Aminy. Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambokely iray ho Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, mba tsy hifanositosika Aminy ny olona. Fa efa nanasitrana olona maro Izy ka nirohotra nankeo Aminy mba hikasika Azy izay rehetra nanana aretina. Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy, dia niankohoka teo anatrehany ka niteny mafy hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra! Nefa nandrara azy ireo mafy Izy mba tsy hanao izay hahafantarana Azy. Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo Aminy, dia nankeo Aminy ireo. Ary nanendry roa amby folo lahy Izy mba ho eo Aminy sy hirahiny hitoriteny sady hanana fahefana handroaka ny demonia. I Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy ireo dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra; i Andrea, i Filipo, i Bartolomeo, i Matio, i Tomasy, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Tadeo, i Simona kananeana ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy. Ary niditra tao amin’ny trano iray Jesosy, dia vory indray ny vahoaka ka tsy afaka nisakafo akory Izy. Ary ny havany, raha nandre izany, dia tonga mba haka Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy. Ary ny mpanoradalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia niteny hoe: Manana an’i Belzeboba Izy, ary koa: Ny lohan’ny demonia no androahany ny demonia. Ary Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ary nilaza fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana? Raha misy fanjakana miady an-trano dia tsy haharitra izany fanjakana izany. Ary raha misy mpiray trano miady an-trano dia tsy haharitra izany mpiray trano izany. Ary raha i Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano dia tsy haharitra izy fa ho rava ny heriny. Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’olombelona amin’ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy. Ny olona mantsy dia niteny hoe: Azom-panahy maloto Izy. Ary tonga ny reniny mbamin’ireo rahalahiny ka nijanona teo alatrano, dia naniraka olona hankao Aminy hiantso Azy. Ary nipetraka manodidina Azy ny vahoaka ka nilaza Taminy hoe: Indreo, ao alatrano ny reninao sy ireo rahalahinao ary ireo anabavinao mitady Anao. Ary Izy namaly azy ireo hoe: Iza no reniko sy rahalahiko? Ary nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy ka niteny hoe: Ireto ny reniko sy ny rahalahiko! Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. Ary nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy ka voatery niditra tao amin’ny sambokely iray teo amin’ny ranomasina Izy ka nipetraka tao; ary ny vahoaka rehetra dia teo an-tanety, teo amoron’ny ranomasina. Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza izao fampianarana izao hoe: Mihainoa: Indro, niainga ity mpamafy mba hamafy. Raha namafy izy dia nisy voa izay latsaka teny amoron-dalana, ary avy ny voromanidina ka nitsaingoka nihinana ireny. Ary nisy ampahany sasany izay latsaka teny amin’ny toerana be vato izay tsy ampy nofon-tany; nalaky nitsiry ireny satria tsy lalina ny tany. Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo ireo satria tsy namahatra tsara dia maty. Nisy ampahany hafa indray latsaka teny amin’ny tsilo; ary naniry ny tsilo ka nangeja azy dia tsy namoa izy. Ary ny voa sasany dia latsaka teny amin’ny tany lonaka, koa raha naniry sy namoa ireny dia namokatra: Ny iray dia namokatra telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato. Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino. Rehefa nisintona tsy teo amin’ny vahoaka intsony Izy dia nanontany Azy ny amin’ireo fanoharana ireo ny olona nomba Azy mbamin’ny roa amby folo lahy. Ary hoy Izy taminy: Ianareo no efa nomena ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ireo izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana mba «hijery mandrakariva ihany izy nefa tsy hahita ary handre mandrakariva ihany izy nefa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony» (Isa 6.9, 10). Hoy koa Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? Koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireo izay teo amoron-dalana dia ireo izay amafazana ny teny, kanefa rehefa nandre izy dia avy miaraka amin’izay i Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. Tahaka izany koa, ireo izay voafafy teny amin’ny toerana be vato dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana; nefa tsy mamahatra lalina ao anatiny ireny fa mihelina vetivety foana; koa raha vao tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ny tsilo, dia ireo no nandre ny teny, nefa ny fanahiana ny amin’izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana hafa tafiditra ao aminy dia mangeja ny teny ka tsy mamoa izy. Ary ireto kosa ireo voafafy teny amin’ny tany lonaka, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: Ny iray dia manome voa telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato. Hoy koa Izy tamin’izy ireo: Moa entina va ny jiro mba hosaronana ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ny farafara? Tsy hatao eo amin’ny fitoeran-jiro va izy? Fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy haseho. Raha misy olona manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino! Hoy indray Izy tamin’izy ireo: Diniho izay teny renareo. Araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. Fa izay manana no homena; ary ny amin’izay tsy manana, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy. Ary hoy koa Izy: Toy izao ny fanjakan’Andriamanitra: Tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ny tany ka na matory izy na mahatsiaro, na alina na andro, ny voa dia mitsimoka ka mitombo ihany, nefa tsy fantany ny faniriny. Fa ny tany dia manome vokatra ho azy: Voalohany dia misy tahony, avy eo salohiny, ary farany dia salohy feno vary. Ary rehefa masaka eny an-tsaha izy dia atao miaraka amin’izay ny fijinjana fa efa tonga ny fararano. Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy? Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voan-javatra rehetra raha vao afafy amin’ny tany; fa rehefa voafafy kosa izy dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny sy ialokalofany. Ary fanoharana maro toy izany no nanambaràny ny teny tamin’izy ireo, araka izay azony nohenoina. Tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo. Tamin’io andro io ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ireo: Andeha isika ho erỳ ampita. Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery ka nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ary efa ho feno rano. Tao aoriana Jesosy no natory teo ambonin’ny ondana. Dia namoha Azy izy ireo ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara! Dia nitsahatra ny rivotra ka tony tsara ny andro. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Nahoana no matahotra ianareo? Tsy mbola manana finoana va ianareo? Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa samy manaiky Azy, na ny rivotra na ny ranomasina? Ary tonga teny ampitan’ny ranomasina tao amin’ny tanin’ny Geraseniana izy ireo. Nony niala teo an-tsambokely Izy, avy hatrany dia nifanena Taminy avy tany amin’ny fasana ny lehilahy iray, azom-panahy maloto. Teny amin’ny fasana izy io no nitoetra ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ny rojo vy aza. Fa efa nafatotra matetika tamin’ny rojo vy, na ny tanany, na ny tongony; nefa notapahiny ny rojo vy tamin’ny tanany, ary ny rojo vy tamin’ny tongony dia notorotoroiny ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato. Fa nony nahatsinjo an’i Jesosy teny lavitra teny izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany sady niantso tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Ianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Mangataka Aminao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza mampijaly ahy! Satria hoy Jesosy taminy hoe: Mialà amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto! Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary hoy izy: Legiona no anarako, satria maro izahay. Ary nifona mafy Taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany faritany izany. Ary nisy andian-kisoa maro, izay niraoka ahitra teny akaikin’ny tendrombohitra. Ary nifona Taminy ireo fanahy maloto ka niteny hoe: Alefaso izahay ho eny amin’iretsy kisoa iretsy mba hiditra any anatiny. Dia neken’i Jesosy izany. Ary ny fanahy maloto, rehefa niala tamin’ilay lehilahy, dia niditra tao anatin’ireo kisoa; ary ilay andian-kisoa, izay tokony ho roa arivo ny isany, dia nitratrevatreva teny amin’ny hantsana nankany amin’ny ranomasina ka maty sempotra tany anatin’ny ranomasina ireo. Ary ny mpiandry azy ireo dia nandositra ka nilaza ny zava-nitranga tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia tonga ny olona mba hizaha izany zavatra izany; ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ka nandinika ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy efa nipetraka sy niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ny olona. Ary ireo izay nahita dia nitantara tamin’ny olona izay zava-nitranga tamin’ilay demoniaka sy ny amin’ny kisoa. Ary nifona tamin’i Jesosy izy ireo mba hialany amin’ny faritaniny. Ary rehefa hiondrana ho ao an-tsambokely Jesosy dia nangataka Taminy ilay demoniaka sitrana mba hijanona eo Aminy. Tsy navelan’i Jesosy anefa izy, fa hoy kosa Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao, any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zava-dehibe efa nataon’i Jesosy taminy. Dia gaga ny olona rehetra. Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny ampita dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo Aminy. Ary teo amoron-dranomasina Izy. Dia avy ny mpanapaka ny sinagoga iray, Jairo no anarany. Rehefa nahita an’i Jesosy izy dia niankohoka teo an-tongony ka niangavy fatratra Taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy kely; andeha re, apetraho aminy ny tananao, mba ho sitrana izy ka ho velona. Dia nandeha niaraka taminy Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanizina Taminy. Ary nisy vehivavy iray izay efa narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona sady efa niaritra zavatra be tamin’ny mpitsabo maro ka nandany ny fananany rehetra nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka niha narary kokoa aza. Rehefa nahare ny amin’i Jesosy izy dia nankao aorianany namakivaky ny vahoaka ary nikasika ny akanjony. Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko dia ho sitrana aho. Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. Ary teo no eo dia fantatr’i Jesosy fa nisy hery niala Taminy ka nihodina teo afovoan’ny vahoaka Izy sady niteny hoe: Iza izany nikasika ny akanjoko izany? Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanositosika Aminao izao, koa hoy Ianao hoe: Iza no nikasika Ahy? Ary nijery manodidina Izy hahitany ilay nanao izany. Dia raiki-tahotra sady toran-kovitra Ravehivavy satria fantany izay nitranga taminy, koa nankeo Aminy izy sady niankohoka teo anatrehany ary nanambara Taminy ny marina rehetra. Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana amin’ny fiadanana ary sitràna amin’ny aretinao. Raha mbola niteny Jesosy dia nisy olona tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka nilaza hoe: Efa maty ny zanakao vavy; koa nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? Tsy nahoan’i Jesosy anefa izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny sinagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, rahalahin’i Jakoba. Dia tonga tao an-tranon’ilay mpanapaka ny sinagoga izy ireo ka hitan’i Jesosy ny fikotaban’ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. Rehefa niditra Izy dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mikorontana sy mitomany? Tsy maty Razazavavy fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza. Dia nandray ny tanan’ilay zaza Izy ka niteny taminy hoe: Talita komỳ, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Aho aminao: Mitsangàna! Dia nitsangana niaraka tamin’izay Razazavavy ka afaka nandeha; fa efa roa amby folo taona izy. Dia talanjona indrindra ny olona. Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina Razazavavy. Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ny tanànany ary niaraka Taminy koa ny mpianany. Ary rehefa tonga ny Sabata dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy. Ary maro izay nihaino Azy no talanjona indrindra ka niteny hoe: Taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ny tanany izao? Tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, ary rahalahin’i Jakoba sy i Josesy ary i Jodasy sy i Simona va Izy io? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina Taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany atao tsinontsinona raha tsy eo amin’ny taniny sy ny havany ary ny fianakaviany ihany. Ary tsy afaka nanao fahagagana akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tanany tamin’ny olona marary vitsy foana sy nahasitrana azy. Ary gaga Izy noho ny tsy finoan’izy ireo. Dia nitety ireo tanàna kely manodidina Izy ka nampianatra. Ary niantso ny roa amby folo lahy hankeo Aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana amin’ny fanahy maloto. Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ny halehany, na mofo, na kitapo, na vola ao anatin’ny fehikibony, afa-tsy tehina ihany. Nefa asio kapa ny tongotrareo ary aza mitondra akanjo roa, hoy Izy. Hoy koa Izy taminy: Izay trano idiranareo dia mitoera ao mandra-pialanareo any. Ary izay tanàna tsy mampandroso anareo na tsy mihaino anareo, rehefa miala tao ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. Ary demonia maro no noroahiny; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny. Ary nahare izany i Heroda mpanjaka, satria efa nalaza ny anaran’i Jesosy, dia hoy izy hoe: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanao izao asa lehibe izao. Fa hoy ny sasany: I Elia izany; ary hoy ny sasany: Mpaminany sahala amin’ny mpaminany hafa rehetra izany. Ary rehefa nahare i Heroda dia hoy izy: I Jaona izay, ilay notapahiko loha iny; efa nitsangana tamin’ny maty izy. Fa i Heroda tenany no nandefa iraka hisambotra an’i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny, satria nalainy ho vady izy io. I Jaona dia efa nilaza tamin’i Heroda hoe: Tsy azonao atao ny maka ny vadin’ny rahalahinao. Ary i Herodiasy dia nanana fo lentika taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy azony notanterahina izany. I Heroda dia natahotra an’i Jaona satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy ka narovany. Rehefa nihaino an’i Jaona izy dia very hevitra be ihany; kanefa nihaino azy tamin’ny hafaliana koa izy. Tonga anefa ny andro izay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany. Niditra tao ny zanakavavin’i Herodiasy dia nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nisakafo taminy teo. Dia hoy ny mpanjaka tamin-dRazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona fa homeko anao izany. Ary nianiana taminy izy ka niteny taminy hoe: Na inona na inona no hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza. Dia lasa Razazavavy ka nilaza tamin’ny reniny hoe: Inona re no hangatahiko? Ary hoy ny reniny: Ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Dia niditra haingana niaraka tamin’izay izy ho eo amin’ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha omenao ahy haingana eo ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nanatrika nisakafo teo dia tsy sahy nandà azy izy. Ary niaraka tamin’izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina ka nasainy noentiny teo aminy ny lohan’i Jaona. Dia nandeha io ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohan’i Jaona. Dia noentiny teo ambony lovia ny lohan’i Jaona ka nomeny an-dRazazavavy; ary Razazavavy kosa dia nanome izany ny reniny. Rehefa nandre izany ny mpianatr’i Jaona dia tonga ka naka ny fatiny ary nandevina azy. Ary vory teo akaikin’i Jesosy ny Apostoly ka nilaza ny tatitry ny zavatra rehetra izay nataony sy nampianariny. Dia hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany efitra ka mialà sasatra kely. Maro mantsy ny olona nifamezivezy ka tsy nisy hisakafoanany akory aza. Dia nandeha an-tsambokely izy ireo mba hitokana any an-tany efitra. Ary nony nahita azy ireo nandeha ny olona, ary betsaka no efa nahafantatra azy ireo, dia nihazakazaka nandeha an-tongotra avy tany amin’ny tanàna tsirairay ka tonga talohany tany. Nony niala ny sambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka ka onena azy ireo satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; ary nampianatra zavatra maro azy ireo Izy. Ary rehefa hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao, ary hariva ity ny andro; ampodio ny olona hankany amin’ny tanàna kely manodidina mba hividy hanina. Fa hoy ny navaliny azy: Omeo hanina ireo olona ireo. Hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ny denaria roanjato va izahay hohaniny? Hoy Izy tamin’izy ireo: Misy mofo firy any aminareo? Andeha hoe jereo. Ary rehefa fantatra ny isany dia hoy izy ireo: Dimy sy hazandrano roa. Dia nasain’i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra ny mpianatra ka natao mitsitokotoko teny ambonin’ny ahi-maitso ireo. Koa dia nipetraka ho antokony zato sy dimampolo avy ny olona. Ary rehefa voarain’i Jesosy ireo mofo dimy sy ireo hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ireo mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony amin’ny olona; ary ny hazandrano roa dia nozarainy tamin’ny olona rehetra. Samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky. Ary nangonina izay sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano ka nahafeno harona roa amby folo. Ary ireo izay nisakafo dia nisy dimy arivo lahy. Teo no eo ihany Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely mba hita hialoha Azy ho any Betsaida mandra-pandravany ny vahoaka. Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. Nony hariva ny andro dia efa teo ampovoan’ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teny an-tanety. Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, satria nanohitra azy ireo ny rivotra; ary tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny aminy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy. Ary rehefa hitany nitsangantsangana teo ambonin’ny ranomasina Izy dia noheveriny ho matoatoa ka niantsoantso mafy izy ireo, satria izy rehetra dia samy nahita Azy avokoa ka raiki-tahotra. Ary niteny tamin’izy ireo niaraka amin’izay Izy hoe: Matokia! Izaho ihany ity, aza matahotra! Ary niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely Izy dia nitsahatra ny rivotra. Talanjona izy ireo, satria tsy takatry ny sainy ny fahagagana ny amin’ny mofo fa mbola mafy ny fony. Nony tafita izy ireo dia tonga tao amin’ny faritanin’i Genesareta ka niantsona teo. Ary raha niala teo an-tsambokely izy ireo dia nahafantatra an’i Jesosy avy hatrany ny olona teo; nihazakazaka namakivaky ny faritany manontolo ny olona ary nitondra ny marary tamin’ny fandrianany ho any amin’izay reny fa nitoerany. Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tao amin’ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, ary ny olona dia nangataka hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza. Ary sitrana izay rehetra nikasika Azy. Ary nivory teo Aminy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna sasany izay avy tany Jerosalema ka nahita ny mpianany sasany misakafo tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa. Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra dia tsy mba misakafo raha tsy efa manasa tsara ny tanany, satria mitana ny fampianarana napetraky ny razana izy. Ary raha avy any an-tsena izy dia tsy misakafo raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro hafa koa izay noraisiny ka nofikiriny, dia ny manasa kaopy sy siny, mbamin’izay lovia varahina. Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana napetraky ny razana fa misakafo amin’ny tanana tsy voasasa? Fa hoy Jesosy taminy: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: «Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa dia lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo Amiko raha mampianatra didin’olombelona ho fampianarana izy» (Isa. 29.13). Mahafoy ny didin’Andriamanitra ianareo ka mifikitra amin’ny fomba napetraky ny olona. Ary hoy koa Izy taminy: Hay, tsara ny nahafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana napetraka ho anareo! Fa hoy Mosesy: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay manozona ny rainy sy ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17). Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana tokony ho anao avy amiko, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy koa foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana napetraka ho anareo, izay nasainareo hotandremana. Ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo. Ary niantso ny vahoaka hankeo Aminy indray Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka fantaro. Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Raha misy manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino. Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano iray dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany. Ary hoy Izy taminy: Hay! Ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy? Satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin’ny toeram-pivoahana. Izany no nolazainy mba hampadio ny sakafo rehetra. Ary hoy koa Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany, no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Ireny zavatra ratsy rehetra ireny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy. Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisintanin’i Tiro sy i Sidona. Dia niditra tao amin’ny trano iray Izy, ary tsy tiany ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy afaka niery Izy. Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy iray izay azom-panahy maloto ny zanany vavy kely; nandre ny Aminy izy ka tonga niankohoka teo amin’ny tongony. Jentilisa Ravehivavy, avy amin’ny firenena siro-foinikiana. Nangataka Taminy izy mba handroaka ny demonia amin’ny zanany vavy. Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely. Fa namaly Azy Ravehivavy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboa kely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany. Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany dia mandehana ianao; efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demonia. Ary rehefa tonga tany an-tranony Ravehivavy dia hitany nandry teo ambonin’ny farafara ny zanany vavy, ary ny demonia dia efa niala taminy. Ary niala indray avy tamin’ny faritanin’i Tiro Jesosy dia namakivaky an’i Sidona sy ny faritanin’i Dekapolisy ka nankany amoron’ny ranomasin’i Galilia. Ary nisy marenina sady raiki-dela iray noentin’olona teo Aminy ka niangavy Azy izy ireo mba hametra-tanana aminy. Ary nitondra an-dRalehilahy niala kely ny vahoaka Izy dia nangarona ny sofiny tamin’ny rantsantanany, dia nandrora ka nikasika ny lelany; ary niandrandra ny lanitra Izy dia nisento ka niteny taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia! Dia nalady ny sofiny sady voavaha ny fatoran’ny lelany ka afaka niteny tsara izy. Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza; kanefa na dia norarany aza ireo dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa. Dia talanjona indrindra ny olona ka niteny hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana. Tamin’izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina ireo, dia nantsoin’i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe: Mahonena Ahy ireto vahoaka ireto, fa hateloana izay no nitoerany teto Amiko ka tsy manan-kohanina intsony izy. Koa raha hampodiko ho any an-tranony tsy misakafo izy dia ho reraka eny an-dalana sady avy lavitra ny sasany. Dia namaly Azy ny mpianatra hoe: Aiza no hahazoana mofo hahavoky ireto olona ireto atỳ an-tany efitra atỳ? Fa nanontany azy Izy hoe: Misy mofo firy ary any aminareo? Dia hoy ireo: Fito. Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka. Ary nandray ny mofo fito Izy, koa rehefa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia naroson’izy ireo ny vahoaka izany. Ary nanana hazandrano madinika vitsy koa izy ireo, koa rehefa nanaovan’i Jesosy fisaorana ireo dia nasainy naroso teny koa. Dia nihinana ny olona ka voky; ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nisy fito sobika. Tokony ho efatra arivo ireo vahoaka ireo. Dia nasainy nody ireo. Ary niaraka tamin’izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ny mpianany ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanota. Ary tonga teo ny Fariseo dia nanomboka niady hevitra Taminy ka nitady famantarana avy any an-danitra mba hakany fanahy Azy. Ary nisento lalina am-panahy Jesosy ka niteny hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity. Ary nandao azy ireo Izy dia niondrana indray ka lasa nankeny ampita. Ary nanadino nitondra mofo izy ireo ka tsy nisy afa-tsy mofo iray ihany tao an-tsambokely. Dia nanafatrafatra azy Izy hoe: Diniho ka mitandrema ianareo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda. Dia nifampiresaka izy ireo satria tsy nanana mofo. Ary fantatr’i Jesosy izany dia niteny taminy Izy hoe: Nahoana ianareo no mifampiresaka hoe tsy manana mofo? Tsy mbola azonareo an-tsaina na tsy fantatrareo ihany va? Efa mafy fo va ianareo? Mana-maso nefa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina nefa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo fa tamin’ilay namakiako ny mofo dimy ho an’ny dimy arivo, firy harona moa ny sombintsombiny nangoninareo? Hoy ireo Taminy: Roa amby folo. Tamin’ilay mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobika moa ny sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ireo: Fito. Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy azonareo ihany va? Ary lasa nankany Betsaida izy ireo; ary nisy nitondra lehilahy jamba iray teo amin’i Jesosy ka niangaviany Izy mba hikasika ilay jamba. Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony ka napetrany taminy ny tanany dia nanontaniany hoe: Mahita zavatra va ianao? Dia nanokatra ny masony ilay jamba ka niteny hoe: Hitako ny olona, nefa tahaka ny hazo mandehandeha no fijeriko azy. Dia napetrak’i Jesosy tamin’ny masony indray ny tanany dia nahita tsara Ralehilahy ka sitrana ary hitany mazava tokoa ny zavatra rehetra. Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka niteny hoe: Aza mankao an-tanàna. Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ireo tanàna kely miankina amin’i Kaisarian’i Filipo. Nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa Aho? Ary hoy ireo taminy: I Jaona Mpanao batisa; ary hoy ny sasany hoe: I Elia; hoy koa ny sasany hoe: Iray amin’ireo mpaminany. Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa dia milaza Ahy ho iza? Dia namaly i Petera ka niteny taminy hoe: Ianao no Kristy. Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hiteny ny momba Azy na amin’iza na amin’iza. Ary nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona ary holavin’ireo loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona ary ireo mpanoradalàna ka hovonoiny, kanefa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy. Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy. Fa Izy nitodika dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mandehana any aorianako, ry Satana! Satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao fa izay an’ny olona. Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko sy ny Filazantsara dia hahavonjy azy. Fa inona moa no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy? Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona, rehefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina Izy. Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hahita fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery. Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ka nitondra azy ireo nitokana, niakatra ho any an-tendrombohitra avo iray. Dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy, ary niova ka tonga namirapiratra sady fotsy dia fotsy ny fitafiany ka tsy misy mpanasa lamba ambonin’ny tany mahafotsy lamba toy izany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Mosesy izay niresaka tamin’i Jesosy. Ary niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary andeha hanao tranolay telo izahay: Ho Anao ny iray, ho an’i Mosesy ny iray ary ho an’i Elia ny iray. Tsy fantany mantsy izay hotenenina satria raiki-tahotra izy rehetra. Ary nisy rahona niseho nanarona azy ireo. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy! Niaraka tamin’izay, nony nijery manodidina izy ireo dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany izay teo aminy. Ary nony nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty. Ary nitana izany teny izany izy ireo ka niady hevitra ny amin’izay hevitr’izany fitsanganana amin’ny maty izany. Ary izy ireo dia nanontany an’i Jesosy hoe: Nahoana no lazain’ny mpanoradalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia? Dia hoy Izy tamin’izy ireo: I Elia dia tonga mialoha ihany ka mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Fa ahoana kosa ary no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona, fa tsy maintsy hijaly mafy Izy sady hatao tsinontsinona? Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga i Elia sady efa nanamparan’ny olona ny sitrapony izy, araka izay voasoratra ny aminy. Nony tonga teo amin’ny mpianatra izy ireo dia nahita vahoaka betsaka nanodidina ny mpianatra izay niady hevitra tamin’ny mpanoradalàna. Ary niaraka tamin’izay, nony nahita an’i Jesosy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. Ary nanontany azy ireo Izy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireo? Ary nisy iray tamin’ny vahoaka namaly hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ Aminao ny zanako lahy izay manana fanahy moana; ary na aiza na aiza no ihetsehan’izany dia ampihinjitrinjiriny amin’ny tany izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka be. Niteny tamin’ny mpianatrao aho mba handroaka izany nefa tsy vitany. Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ Amiko izy. Dia noentiny teo Aminy izy. Fa nony nahita an’i Jesosy izy dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ilay fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. Ary Jesosy nanontany ny rainy hoe: Hatramin’ny oviana izay no nahatongavan’izao taminy? Dia hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. Fa nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy. Fa raha mba misy hainao re dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay! Hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Ary niaraka tamin’izay dia niantso mafy sady nandrotsa-dranomaso ny rain-drazazalahy ka niteny hoe: Mino aho! Vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako! Ary nony hitan’i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Mandidy anao Aho: Mialà aminy ka aza miditra ao anatiny intsony! Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia niala taminy. Ary efa toy ny maty ilay zazalahy ka nolazain’ny maro hoe maty. Fa nandray ny tanany kosa Jesosy ka nampiarina azy dia nitsangana izy. Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: Nahoana izahay no tsy afaka nandroaka an’iny? Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny dia tsy mba azo roahina na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana ihany. Dia niala teo izy ireo ka nizotra namakivaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesosy ho fantatry ny olona izany. Fa nampianatra ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa maty Izy dia hitsangana rehefa afaka hateloana. Tsy azon’ireo anefa izany teny izany sady natahotra ny hanontany Azy izy. Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana? Tsy nisy nahateny anefa izy ireo satria niady hevitra teny an-dalana ny amin’izay lehibe indrindra. Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra. Ary nandray zaza iray Izy ka nametraka azy teo afovoan’izy rehetra; rehefa notrotroiny ilay zaza dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Na zovy na zovy no mandray iray amin’itony zaza itony amin’ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia tsy Izaho no raisiny fa Ilay naniraka Ahy. Ary hoy i Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona iray nandroaka demonia tamin’ny anaranao izahay ka noraranay izy satria tsy nanaraka antsika. Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy eo no eo. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ny kaopy hosotroinareo satria an’i Kristy ianareo dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany. Na iza na iza no manafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo dia tsara ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny tendany ka hatsipy any anaty ranomasina izy. Ary raha ny tananao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny afobe, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty. Ary raha ny tongotrao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afobe, any amin’ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty. Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe; any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty. Fa samy hosedraina amin’ny afo izy rehetra, ary ny fanatitra rehetra dia samy hosedraina amin’ny fanasina. Tsara ny sira, kanefa raha tonga matsatso izy, inona indray no hoentinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo ary mihavàna tsara ianareo. Ary niainga niala teo Jesosy dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia sy tany andafin’i Jordana. Ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo Aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy ireo indray Izy. Ary nisy Fariseo maromaro nanatona Azy ka naka fanahy Azy sy nanontany hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy? Ary Izy namaly azy ireo hoe: Inona no nandidian’i Mosesy anareo? Dia hoy ireo: Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisaotra ny vadiny (Deo 24.1). Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa hatramin’ny namoronana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra ny olona (Gen 1.27). «Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona. Ary rehefa tonga tao an-trano dia nanontany ny amin’izany koa ny mpianatra. Dia hoy Izy taminy: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga eo anatrehan’ilay voalohany izy. Ary raha ny vehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa dia mijangajanga izy. Ary nisy nitondra zaza ho eo Aminy mba hametrahany tanana. Nefa ny mpianany niteny mafy azy ireny. Kanefa tezitra Jesosy raha nahita izany ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy akory. Ary nitrotro azy Izy dia nametra-tanana taminy ka nitsodrano azy. Rehefa teny an-dalana Jesosy dia nisy olona iray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay? Hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no lazainao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17). Ary hoy izy taminy: Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa notandremako hatramin’ny fahazazako. Ary Jesosy nijery azy tsara dia tia azy ka niteny taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao: Mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao. Ary avia hanaraka Ahy. Dia nanjombona ny tarehiny noho izany teny izany ka niala tamin’alahelo izy, satria nanana harena be. Ary Jesosy nijery manodidina ka niteny tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny fidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Dia gaga tamin’ny teniny ny mpianatra. Fa hoy indray Jesosy taminy: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny manankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Dia talanjona indrindra izy ireo ka nifampiresaka hoe: Iza indray ary no azo hovonjena? Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra. Ary hoy Petera taminy: Indro, efa nahafoy ny zavatra rehetra izahay ka nanaraka Anao. Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany noho ny Amiko sy ny Filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany mbamin’ny fanenjehana ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany. Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy ka niteny hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’Olona dia hatolotra ho amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy mpanoradalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny Jentilisa; ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy. Ary nanatona an’i Jesosy i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay hataonao aminay izay mba angatahinay Aminao. Dia hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo? Hoy izy mirahalahy Taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay any amin’ny voninahitrao, koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay isotroako, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa? Dia hoy izy mirahalahy Taminy: Hainay ihany izany. Hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay isotroako dia hisotroanareo ihany ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hatao aminareo ihany; fa ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy anjarako ny hanome izany fa natao ho an’ireo izay nanamboarana azy izany. Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra noho ny nataon’i Jakoba sy i Jaona. Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny Jentilisa ho mpanapaka aminy dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia manapaka aminy. Fa tsy mba toy izany aminareo. Fa na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanompo anareo izy. Ary na iza na iza no te ho ambony eo aminareo dia ho mpanompon’izy rehetra izy. Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. Ary tonga tao Jeriko izy ireo. Ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka dia nisy jamba mpangataka nipetraka teo amoron-dalana, i Bartimeo, zanak’i Timeo. Nony reny fa injay Jesosy avy any Nazareta dia niantso mafy izy hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko! Maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso mafy izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko! Dia nijanona Jesosy ka niteny hoe: Antsoy ilay jamba. Ary niantso azy ny olona ka niteny taminy hoe: Matokia, mitsangàna fa miantso anao Izy. Dia navelany teo ny akanjony ivelany ka niantsambotra nankeo amin’i Jesosy izy. Ary Jesosy niteny taminy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Dia hoy ilay jamba taminy: Rabonỳ, ny mba hampahiratana ny masoko! Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy. Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema ho any Betifaga sy Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra Oliva izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Jesosy ka niteny tamin’izy ireo hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, avy hatrany dia hahita zana-boriky iray mifatotra izay mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy ka ento etỳ. Ary raha misy olona miteny aminareo hoe: Nahoana ianareo no manao izao? Dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy. Dia havelany hoentina etỳ miaraka amin’izay izy io. Dia nandeha izy ireo ka nahita zana-boriky nifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana teo an-dalana, dia novahany. Ary ny olona sasany teo dia niteny tamin’izy ireo hoe: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky? Dia nilaza taminy araka izay nolazain’i Jesosy taminy izy ireo ka navelan’ny olona handeha. Dia noentiny teo amin’i Jesosy ilay zana-boriky ka nataon’ireo teo amboniny ny lambany; dia nitaingina azy Jesosy. Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ny an’ny sasany kosa dia rantsan-kazo izay notapahiny tany an-tsaha. Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aorianany dia samy niantso hoe: « Hosana! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Hotahina anie ity fanjakana izay avy ity, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra!» (Sal 118.26) Ary Jesosy niditra tao Jerosalema ka nankao amin’ny tempoly; ary rehefa nijery ny zavatra rehetra manodidina Izy, sady efa hariva ny andro tamin’izay, dia niala Izy mbamin’ny roa amby folo lahy ka nankany Betania. Nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania Jesosy, dia nahatsiaro noana. Ary nahatsinjo hazo aviavy mandravina iray terỳ lavidavitra Izy dia nankeo, sao mba hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo Izy dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina ihany, fa mbola tsy fotoana famoazan’ny aviavy. Hoy Jesosy taminy: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay! Ary nahare izany ny mpianany. Ary tonga tany Jerosalema izy ireo dia niditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nandroaka izay nivarotra sy izay nividy tao amin’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala. Ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamakivaky ny kianjan’ny tempoly. Dia nampianatra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy izao va no voasoratra: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra»? (Isa 56.7) Fa ianareo kosa dia nanao azy ho «zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11). Rehefa nahare izany ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy ireo, satria ny vahoaka rehetra dia talanjona noho ny fampianarany. Ary isan-kariva dia niala nankany ivelan’ny tanàna Jesosy sy ny mpianany. Nony maraina ny andro, raha nandalo izy ireo, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fotony ilay hazo aviavy. Ary nahatsiahy i Petera ka niteny Taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay hazo aviavy nozoninao. Fa hoy Jesosy tamin’ny mpianatra: Manàna finoana an’Andriamanitra ianareo. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na iza na iza no hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà ka mianjerà any anaty ranomasina, ary tsy miahanahana ao am-pony fa mino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany. Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo dia minoa fa efa nandray ianareo ary ho azonareo izany. Ary raha mitsangana mivavaka ianareo ka misy olona anananareo alahelo dia mamelà ny helony mba havelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo. Fa raha tsy mamela heloka ianareo dia tsy hamela ny helokareo kosa ny Rainareo izay any an-danitra. Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo; ary raha nitsangantsangana tao amin’ny tempoly Jesosy dia nanatona Azy ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona ka niteny Taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany ka anaovanao izao zavatra izao? Fa hoy Jesosy tamin’izy ireo: Hanontany anareo zavatra tokana kosa Aho ka valio dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao: Ny batisan’i Jaona, avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Valionareo Aho. Ary izy ireo nikaon-doha ka niteny hoe: Raha lazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo? Fa holazaintsika va hoe: Avy tamin’ny olona va? Natahotra ny olona izy ireo, satria neken’ny olona rehetra fa mpaminany tokoa i Jaona. Dia namaly an’i Jesosy izy ireo hoe: Tsy fantatray. Hoy Jesosy taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. Ary nanomboka niteny tamin’ireo tamin’ny alalan’ny fanoharana Izy hoe: Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazana ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka lasa nankany an-tany hafa izy. Rehefa tonga ny fotoanan’ny vokatra dia naniraka mpanompo iray izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ampahany amin’ny vokatry ny tanim-boaloboka. Fa nosamborin’ireo ilay mpanompo sady nokapohiny ary nampialainy maina. Ary naniraka mpanompo hafa indray izy ho any amin’ireo, fa io koa dia noratrain’ireo ny lohany sady nalany baraka. Ary nandefa iraka iray hafa indray koa izy, fa io indray kosa dia novonoiny ho faty; ary mbola maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny ary ny sasany novonoiny ho faty. Ary mbola nanana iray izy, dia ny zanany lahy malalany, koa nony farany dia naniraka azy hankany amin’ireo izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo. Ireo mpiasa tany ireo anefa dia nifampiresaka hoe: Ity no mpandova! Andeha hovonointsika izy dia ho antsika ny lova. Dia nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny teny ivelan’ny tanim-boaloboka. Koa ahoana ary no hataon’ilay tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany? Ho avy izy dia handringana ireo mpiasa tany ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary mbola tsy novakinareo va izao Soratra Masina izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no efa natao fehizoro; avy tamin’ny TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika?» (Sal 118.22-23) Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka satria fantany fa mahakasika azy ireo ny nilazan’i Jesosy ilay fanoharana. Dia nandao an’i Jesosy ny olona ka lasa nandeha. Ary nisy nandefa iraka hankeo amin’i Jesosy ny sasany tamin’ny Fariseo sy ny Herodiana mba hamandrika Azy amin’ny teniny. Rehefa tonga ireo dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampiova Anao ny hevitry ny olona ary tsy mba mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara sa tsia? Hanome va izahay sa tsy hanome? Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihin’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria iray Aho mba hojereko. Dia nitondran’izy ireo Izy. Ary hoy Izy taminy: An’iza io sary sy soratra io? Dia hoy ireo Taminy: An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Dia gaga Taminy izy ireo. Ary nisy Sadoseo tonga teo Aminy izay milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty ka nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, i Mosesy dia nanoratra ho antsika hoe: «Raha misy manan-drahalahy maty momba, kanefa mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dRavehivavy ka hiteraka aminy mba hamelo-maso ny rahalahiny» (Deo 25.5). Nisy fito mirahalahy. Nampaka-bady ny zokiny dia maty momba. Nampakatra an-dRavehivavy ny faharoa dia maty momba koa. Ny fahatelo dia toy izany ihany koa. Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Ary faran’izy rehetra dia maty koa Ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, iza amin’izy ireo moa no ho vadin-dRavehivavy? Satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin’Andriamanitra izao va no mahadiso lalana anareo? Fa amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Koa momba ny fitsanganan’ny maty, mbola tsy novakinareo va ny ao amin’ny Bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny roimemy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6)? Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona. Koa tena diso lalana ianareo. Dia nanatona an’i Jesosy ny iray tamin’ireo mpanoradalàna izay nahare azy ireo niady hevitra ka nahita fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana moa no voalohany amin’izy rehetra? Hoy ny navalin’i Jesosy: Ny voalohany dia izao: «Mihainoa, ry Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana; koa tiava ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao rehetra» (Deo 6.4, 5). Ary ny faharoa dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. Ary hoy ilay mpanoradalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy, ary ny ho tia Azy amin’ny fo manontolo, amin’ny saina manontolo, amin’ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa rehetra. Rehefa hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony. Ary Jesosy, raha nampianatra tao amin’ny tempoly, dia niteny hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanoradalàna fa Kristy dia Zanak’i Davida? Kanefa ny tenan’i Davida no nampitenenin’ny Fanahy Masina hoe: «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha Ianao eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao» (Sal 110.1). Ny tenan’i Davida no miantso Azy hoe Tompo; koa ahoana ary no maha Zanany Azy? Ary vahoaka betsaka no nihaino Azy tamin-kafaliana. Ary hoy Izy tamin’ny fampianarany: Mitandrema ianareo ny amin’ny mpanoradalàna izay mazoto mandehandeha manao akanjo lava sy te hoarahabain’ny olona eny an-tsena ary tia ny fipetrahana eny anoloana ao amin’ny sinagoga sy ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa. Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy dia nandinika ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy. Maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. Fa nisy mpitondratena mahantra iray kosa tonga teo ka nandatsaka lepta roa na kaodiranta iray izany. Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io dia nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; fa ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa dia tamin’ny tsy fananany no nandatsahany izay rehetra teo am-pelatanany, dia ny fivelomany rehetra. Ary nony niala teo amin’ny tempoly Jesosy dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: Mpampianatra ô, akory ny hatsaran’ireto vato sy rafitra ireto! Fa hoy Jesosy: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva tandrifin’ny tempoly Izy dia nanontany Azy mangingina i Petera sy i Jakoba ary i Jaona sy i Andrea hoe: Lazao aminay: Rahoviana no ho tonga izany? Ary inona no ho famantarana rehefa ho tonga izany rehetra izany? Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema mba tsy hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin’ny anarako hilaza hoe: Izaho no Izy, koa maro no ho voafitany. Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo dia aza matahotra; tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy izay akory ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa ary hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana. Fa mitandrema ianareo; fa hatolotra amin’ny Sinedriona sy hokapohina any amin’ny sinagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona aminy. Ary ny firenena rehetra dia tsy maintsy hitoriana ny Filazantsara aloha. Koa raha mitondra anareo hatolotra izy dia aza manahy rahateo izay holazainareo, fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahy Masina. Ary ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana ary ny ray dia hanolotra ny zanany; ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy. Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia; izay ao an- tampon-trano dia aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony; ary izay any an-tsaha dia aoka tsy hiverina haka ny akanjony. Loza ny hahazo ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany! Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina izany. Fa amin’izay andro izay dia hisy fahoriana izay mbola tsy nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany dia tsy nisy nofo ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany. Amin’izany, raha toa ka misy olona milaza aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ Izy, dia aza mino izany ianareo. Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azony atao izany. Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra. Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany, dia ho tonga maizina ny masoandro ary tsy hanome ny fahazavany ny volana, hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintana ary hohozongozonina ireo hery izay eny amin’ny lanitra. Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. Amin’izay dia haniraka ireo anjely Izy ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra. Mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsany ka mandravina izy dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky, efa eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko dia tsy mba ho levona. Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Mitandrema, miambena ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana. Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. Koa miambena ianareo fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena. Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ny Paska izay fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nitady hisambotra an’i Jesosy tamin’ny fitaka ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna mba hamonoany Azy. Nefa hoy ireo: Tsy amin’ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka. Ary nony tany Betania Jesosy ka nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Simona boka dia avy ity vehivavy iray izay nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra nisy narda tena sarobidy; novakiny ny tavoara ka nararany tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka manitra. Ary tezitra ny sasany ka nifampilaza hoe: Inona no anton’izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao? Fa azo namidy lafo mihoatra ny denaria telonjato iny menaka manitra iny ka ho nomena ny mahantra! Dia tezitra indrindra tamin-dRavehivavy ireo. Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Asa soa no nataony Tamiko. Fa ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy dia mahazo manao izany ianareo; fa Izaho kosa dia tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Efa nanao izay azony natao izy: Nanosotra mialoha ny tenako izy hanamboarany Ahy halevina. Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza no hitoriana ny Filazantsara eto amin’izao tontolo izao dia hotantaraina koa izao nataon-dRavehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy. Ary i Jodasy iskariota, ilay isan’ny roa amby folo lahy, dia nankao amin’ireo lehiben’ny mpisorona mba hanolotra an’i Jesosy amin’ireo. Rehefa nandre izany izy ireo dia faly ka nampanantena fa hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay andro hahazoany manolotra Azy. Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao? Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro? Ary izy no hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izay efa misy izay ilaina rehetra sady voavoatra tsara; any ianareo no manomana ho antsika. Ary nandeha ny mpianatra dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia nanomana ny Paska izy ireo. Nony hariva ny andro dia tonga niaraka tamin’ny roa amby folo lahy Izy. Ary raha nipetraka nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy, dia izay miara-mihinana Amiko. Dia nalahelo izy ireo ka nanomboka nanontany an’i Jesosy ny tsirairay hoe: Izaho va izany? Ary niteny tamin’izy ireo Izy hoe: Izay iray aminareo roa amby folo lahy miara-manatsoboka ny tanany Amiko ao anatin’ny lovia no izy. Fa ny Zanak’Olona dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy. Ary raha mbola nisakafo izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa nony efa nisaotra Izy dia novakiny ka natolony azy ireo sady nataony hoe: Raiso, ity no tenako. Dia nandray kapoaka Izy ka nony efa nisaotra dia natolony azy ireo ary nisotroan’izy rehetra izany. Dia hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena izay alatsaka hamonjy ny maro. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: «Hamely ny mpiandry Aho dia hihahaka ny ondry» (Zak 13.7). Fa rehefa tafatsangana amin’ny maty Aho dia hialoha anareo any Galilia. Fa hoy i Petera Taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho dia tsy mba ho tafintohina. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, amin’ity alina ity ihany, raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany, dia handa Ahy intelo ianao. Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra. Ary tonga tany amin’ny saha iray atao hoe Getsemane izy ireo; dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto ianareo fa handeha hivavaka Aho. Ary Jesosy nitondra an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona niaraka Taminy, dia nanomboka nangorohoro sady ory fatratra Izy. Dia hoy Izy tamin’ireo: Fadiranovana loatra toy ny efa ho faty ny fanahiko; mitoera eto ka miareta tory. Ary nony nandroso kelikely Izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany Aminy, raha azo atao. Ary hoy Izy: Aba, Ray ô, ny zavatra rehetra hainao; esory Amiko ity kapoaka ity. Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao. Ary niverina Izy ka nahita azy ireo matory dia hoy Izy tamin’i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy mahazaka miari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? Miareta tory ianareo ka mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery. Dia lasa indray Izy niverina nivavaka ka namerina ilay teny teo ihany. Nony niverina indray Izy dia nahita azy ireo matory, ary efa nilondolondo ny masony ka tsy hitany izay havaliny Azy. Ary niverina fanintelony Izy dia niteny taminy hoe: Mbola matory ihany ianareo ka miala sasatra. Ampy izay. Tonga ny fotoanandro; indro ny Zanak’Olona hatolotra eo an-tanan’ny mpanota. Mitsangàna, andeha isika; fa indro, efa manakaiky ilay manolotra Ahy. Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy, dia avy i Jodasy, iray amin’ny roa amby folo lahy, ary nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona. Ary ilay hanolotra Azy dia efa nanome famantarana tamin’ireo ka niteny hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento dia ataovy tsara ambina. Ary raha vao tonga izy ka nanatona an’i Jesosy dia niteny hoe: Raby ô! Sady nanoroka Azy izy. Ary nanatsotra ny tanany Taminy ny olona ka nisambotra Azy. Ary nanatsoaka ny sabany ny iray tamin’ireo izay nanatrika teo dia nikapoka ny mpanompon’ny Mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny. Dia niteny taminy Jesosy hoe: Tonga mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny fisambotra jiolahy va ianareo? Teo aminareo isanandro Aho, nampianatra tao amin’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao. Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra. Ary nisy zatovo iray nanaraka Azy, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry madinika, ary nosamborin’ny olona teo izy. Dia navelany teny amin’ireo mpisambotra azy ny lambany hariry madinika ka nandositra nitanjaka izy. Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna. Ary i Petera dia nanaraka Azy teny lavidavitra teny hatrany anatin’ny kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe. Ary niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha izy ka namindro teo anilan’ny afo. Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona manontolo dia nitady zavatra hiampangana an’i Jesosy ka hamonoany Azy ho faty, nefa tsy nahita. Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fanambaràny. Dia nitsangana ny sasany ka niampanga lainga Azy hoe: Izahay nandre Azy niteny hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity ary amin’ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho. Tsy nifanaraka anefa ny filazany na dia tamin’izany aza. Dia nitsangana ny Mpisoronabe ka nankeo afovoany nanontany an’i Jesosy hoe: Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao? Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny Mpisoronabe ka niteny taminy hoe: Ianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? Dia hoy Jesosy: Izaho no Izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’Olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Ary nandriatra ny fitafiany ny Mpisoronabe ka nilaza hoe: Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona? Efa renareo ny fitenenan-dratsy ka ahoana ny hevitrareo? Dia nanameloka Azy ho mendrika ho faty izy rehetra. Ary nanomboka nandrora Azy ny sasany dia nanarona ny tavany sady namely tehamaina Azy ka niteny hoe: Maminania! Ary namely Azy tamin’ny tehamaina koa ireo mpiandry raharaha. Ary raha mbola teo ambany, teo an-kianja i Petera, dia avy ny iray tamin’ny ankizivavin’ny Mpisoronabe. Nony nahita an’i Petera namindro izy dia nijery azy ary niteny hoe: Ianao koa dia niaraka tamin’Ilay Nazareana atao hoe Jesosy. Nandà anefa izy ka niteny hoe: Sady tsy fantatro no tsy azoko ny teninao. Dia nandeha nankany ivelany ho any amin’ny vavahady izy, ary nisy akoho naneno tamin’izay. Ary nahita azy ilay ankizivavy ka namerina niteny tamin’ireo izay nanatrika teo fa io lehilahy io dia naman-dry zareo ireo. Fa mbola nandà indray izy. Nony afaka kelikely, ireo izay nanatrika teo, dia niteny indray tamin’i Petera hoe: Marina mihitsy fa anisan’ireny ianao; fa Galiliana koa ianao. Dia niozona sy nianiana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany. Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary tsaroan’i Petera ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany dia handa Ahy intelo ianao. Dia niala teo izy sady nigogogogo nitomany. Ary raha vao maraina ny andro, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ary mpanoradalàna mbamin’ny Sinedriona manontolo, dia nivory niara-nihevitra, koa rehefa avy namatotra an’i Jesosy izy dia nitondra Azy ka nanolotra Azy tamin’i Pilato. Ary nanontany Azy i Pilato hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Dia namaly azy Izy hoe: Voalazanao. Ary ireo lehiben’ny mpisorona dia niampanga Azy tamin-javatra maro. Dia nanontany Azy indray i Pilato hoe: Tsy manan-kavaly akory va Ianao? E izao hamaroan’ny zavatra iampangan’izy ireo Anao izao! Fa tsy namaly intsony Jesosy na dia indraimbava aza, hany ka gaga i Pilato. Ary isaky ny andro firavoravoana dia manafaka mpifatotra iray izay angatahin’ny vahoaka izy. Ary nisy iray, ilay antsoina hoe Barabasy, niara-nifatotra tamin’ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ny fikomiana. Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka an’i Pilato hanao araka izay fanaony aminy. Fa namaly azy ireo i Pilato hoe: Tianareo va raha ny Mpanjakan’ny Jiosy no hafahako ho anareo? Fantany mantsy fa fialonana no nanoloran’ireo lehiben’ny mpisorona Azy. Fa nanome fo ny vahoaka ireo lehiben’ny mpisorona fa aleo, hoy izy ireo, i Barabasy no hafahan’i Pilato. Dia hoy indray i Pilato: Koa inona ary no hataoko amin’ilay ataonareo hoe Mpanjakan’ny Jiosy? Dia niantsoantso indray ny vahoaka hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Ary hoy i Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ireo ka niteny hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Ary ta hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato ka nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo; fa Jesosy kosa dia natolony mba hokaravasina sy hohomboina amin’ny hazofijaliana. Ary ireo miaramila dia nitondra an’i Jesosy ho ao anatin’ny kianja izay ao anaty rova sady nanangona ny miaramila rehetra iray tarika aminy. Ary nampitafy Azy lamba volomparasy izy ireo sady nandrandrana satroka tsilo ho Azy ka nasatrony ny lohany. Dia niarahaba Azy izy ireo hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy! Ary nikapoka ny lohany tamin’ny volotara izy ireo sady nandrora Azy ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. Rehefa avy nanao Azy ho fihomehezana izy ireo dia nesoriny Taminy ilay lamba volomparasy ka nampitafiany Azy indray ny akanjony. Dia noentin’ireo hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy. Ary noterena hitondra ny hazofijalian’i Jesosy ny lehilahy iray izay nandalo avy tany an-tsaha, atao hoe Simona kireniana, rain’i Aleksandra sy i Rofosy. Ary Jesosy dia noentin’ireo teo amin’ny toerana atao hoe Golgota, izany hoe, raha adika, Ikarandoha. Dia notolorany divay miharo miora Izy nefa tsy nety nisotro. Ary nohomboin’ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataony antsapaka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. Tamin’ny ora fahatelo no nanomboany Azy tamin’ny hazofijaliana. Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: ny mpanjakan’ny jiosy. Ary nisy jiolahy roa nohomboin’izy ireo niaraka Taminy tamin’ny hazofijaliana, ny iray dia teo ankavanany ary ny iray dia teo ankaviany Dia tanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: «Ary natao ho isan’ny mpanota Izy» (Isa 53.12). Ary niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ny mpandalo ka niteny hoe: Akory izay! Ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy ao anatin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao ka midìna hiala teo amin’ny hazofijaliana! Ary toy izany koa no faneson’ireo lehiben’ny mpisorona, fa niresaka izy ireo sy ny mpanoradalàna hoe: Namonjy ny sasany Izy fa ny tenany dia tsy hainy vonjena. Aoka ny Kristy, Mpanjakan’ny Israely, hidina hiala teo amin’ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika! Ary ireo izay niaraka nohomboina Taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy koa. Ary nony tamin’ny ora fahenina dia tonga maizina ny tany rehetra ary naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany. Ary tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka niteny hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? Izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?» (Sal 22.2) Ary ny sasany tamin’ireo izay nanatrika teo raha nandre izany dia niteny hoe: Indro, miantso an’i Elia Izy. Ary nisy iray nihazakazaka dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ny vinaingitra ka natohiny tamin’ny volotara izany dia natohony hotsentsefin’i Jesosy ary hoy izy: Avelao ho hitantsika na ho avy hampidina Azy i Elia na tsia. Jesosy anefa niantso tamin’ny feo mahery dia afaka ny ainy. Ary ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Ary ny kapiteny izay nanatrika nanandrify Azy, raha nahita fa toy izany no nahafaka ny ainy, dia niteny hoe: Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io. Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny ary isan’ireny i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Jakoba kely, ary i Josesy sy i Salome; ireo dia nanaraka Azy ka nanompo Azy fony Izy tany Galilia; tao koa ireo vehivavy maro izay niara-niakatra Taminy tany Jerosalema. Nony hariva ny andro, satria andro fiomanana, dia ny andro alohan’ny Sabata, dia avy i Josefa avy any Arimatia, lehilahy manankaja izay isan’ny Sinedriona sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy niditra tao amin’i Pilato izy nangataka ny fatin’i Jesosy. Ary gaga i Pilato raha maty sahady Jesosy ka niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy raha efa ela ny nahafatesany. Ary rehefa nandre tamin’ilay kapiteny izy dia nomeny malalaka an’i Josefa ny faty. Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy. Ary i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. Rehefa lasa ny andro Sabata dia nandeha nividy zavamanitra i Maria Magdalena sy i Salome ary i Maria, renin’i Jakoba, mba hoentiny hanosorana ny fatin’i Jesosy. Nony marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana izy ireo raha vao niposaka ny masoandro. Ary niresaka izy ireo hoe: Iza re no hanampy antsika hanakodia ny vato hiala amin’ny varavaran’ny fasana? Fa nony nitraka izy ireo dia indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato, nefa lehibe ilay vato. Ary raha niditra tao anatin’ny fasana izy ireo dia nahita zatovo iray nipetraka teo amin’ny ankavanana, niakanjo akanjo fotsy, dia raiki-tahotra izy ireo. Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra ianareo; Jesosy avy any Nazareta izay voahombo tamin’ny hazofijaliana no tadiavinareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahana Azy. Koa mandehana ianareo dia lazao amin’ny mpianany sy i Petera fa mialoha anareo any Galilia Izy. Any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo. Dia nandeha izy ireo ka lasa nandositra niala tao amin’ny fasana, fa toran-kovitra sady natahotra. Ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’olona izy satria natahotra. Rehefa tafatsangana tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy. Ary nandeha i Maria ka nilaza tamin’ireo izay efa nomba an’i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany. Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dRavehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany. Taorianan’izany Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy namany, izay nankany an-tsaha. Izy ireo koa dia nandeha nilaza tamin’ireo namany hafa; kanefa na ireo koa aza tsy ninoany. Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny iraika amby folo lahy Jesosy, raha nipetraka nisakafo izy ireo; ary nanome tsiny azy ireo Izy noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino ireo izay nahita Azy efa tafatsangana izy. Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina. Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: Handroaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy, na dia misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny. Ary Jesosy Tompo, rehefa avy niteny tamin’izy ireo, dia nampiakarina ho any an-danitra ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitoriteny manerana ny tontolo, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana nampombaina azy. Amena. Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa araka izay efa natolotra antsika avy tamin’ireo vavolombelona nahita maso hatramin’ny voalohany sady efa tonga mpanompon’ny Teny, dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra, mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao. Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’i Jodia, dia nisy mpisorona iray atao hoe Zakaria, isan’ny antokon’i Abia; ny vadiny dia avy tamin’ny taranak’i Arona, Elizabeta no anarany. Samy marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady sady nandeha tsy nanan-tsiny tamin’ny fanarahana ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo. Tsy nanan-janaka izy satria momba i Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady. Nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria, araka ny fifandimbiasan’ny antokony, araka ny fanao amin’ny fisoronana, dia anjarany araka ny antsapaka, ny hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra. Ary ny vahoaka rehetra dia nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra. Dia nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. Nony nahita azy i Zakaria dia taitra loatra ka raiki-tahotra. Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria fa efa nohenoina ny fangatahanao, koa i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao ary Jaona no hataonao anarany. Ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ny hahaterahany. Fa ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon’ny reniny aza. Ary maro amin’ny Zanak’Israely no hampodiny amin’NY TOMPO Andriamaniny. Handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina, ary hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo (Mal 3.23, 24). Dia hoy i Zakaria tamin’ilay anjely: Ahoana no hahafantarako izany? Fa izaho efa antitra ary efa antitra koa ny vadiko. Namaly azy ilay anjely hoe: Izaho no Gabriela izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hanambara aminao izany vaovao mahafaly izany. Koa indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ny andro hisehoan’izany zavatra izany, ho valin’ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ny fotoanany. Ary ny olona dia niandry an’i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ny tempoly. Kanjo rehefa niala tao izy dia tsy nahay niteny tamin’izy ireo; koa fantatry ny olona fa nahita fahitana tao amin’ny tempoly izy; nampiasa baiko moana taminy izy, ary mbola moana ihany. Rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana dia lasa nody tany an-tranony izy. Taorianan’izany andro izany dia nitoe-jaza i Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nilaza hoe: Izao no nataon’ny Tompo tamiko tamin’ny andro izay niheverany manokana ny hahafa-tondro-maso ahy amin’ny olona. Tamin’ny fahenim-bolana dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna iray any Galilia antsoina hoe Nazareta, ho any amin’ny virijiny iray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ny taranak’i Davida; ny anaran’ilay virijiny dia Maria. Nony niditra tao aminy ilay anjely dia niteny hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fahasoavana tamin’Andriamanitra ianao. Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY. Izy ho lehibe ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra; NY TOMPO Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’i Davida rainy; hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. Dia hoy i Maria tamin’ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy nahalala lahy aho? Ilay anjely namaly azy hoe: Ho tonga aminao ny Fanahy Masina, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra. Ary indro i Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; efa mandray ny fahenim-bolana izy, izay natao hoe momba, izao. Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra lazain’Andriamanitra. Dia hoy i Maria: Inty ny mpanompovavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely. Ary niainga i Maria tamin’izany andro izany ka nandeha haingana ho any amin’ny faritra be havoana, ho ao an-tanàna iray any Joda. Dia niditra tao an-tranon’i Zakaria izy ka niarahaba an’i Elizabeta. Rehefa ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina i Elizabeta ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Notahìna amin’ny samy vehivavy ianao ary notahìna ny hateraky ny kibonao! Avy aiza no ahatongavan’izao amiko no mba vangìn’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro, raha vao ren’ny sofiko ny feon’ny fiarahabanao dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ato an-kiboko. Sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao. Dia hoy i Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo ary ny fanahiko dia ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy; fa efa nijery ny fahambanian’ny toetry ny mpanompovaviny Izy. Fa indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho. Fa ny Mahery efa nanatanteraka zavatra lehibe tamiko; masina ny anarany. Ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Nanatanteraka asa lehibe tamin’ny sandriny Izy; nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ny fiheveran’ny fony Izy. Nampiala ny lehibe tamin’ny sezafiandrianany Izy ary nanandratra ny ambany kosa. Ny noana dia novokisany soa; ny manankarena kosa dia nampialainy maina. Niahy ny Israely mpanompony Izy sady nahatsiaro ny famindrampony, Araka ny voalazany tamin’ny razantsika, tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay. Ary nitoetra teo amin’i Elizabeta tokony ho telo volana i Maria vao nody tany an-tranony. Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia niteraka zazalahy izy. Ary nandre ny mpiaramonina taminy sy ny havany fa efa nohalehibeazin’ny Tompo ny famindrampony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo. Tamin’ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy ireo, koa efa saika hantsoiny araka ny anaran’ny rainy hoe Zakaria, izy. Fa hoy ny reniny: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy. Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ny havanao izay manana izany anarana izany. Ary nanao baiko moana tamin’ny rainy izy ireo ka nanontany ny amin’izay tiany hatao anarany. Dia nangataka solaitra iray izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra. Ary nisokatra niaraka tamin’izay ny vavany ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’Andriamanitra. Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ny tany be havoana any Jodia rehetra ny lazan’izany rehetra izany. Izay rehetra nandre koa dia nandatsaka izany tao am-pony ka niteny hoe: Ho zaza toy inona re io? Fa ny tanan’ny Tompo no nomba azy. Dia feno ny Fanahy Masina i Zakaria rainy ka naminany hoe: Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely; fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika ao amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy, araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ny fahagola, dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika. Manefa famindrampo amin’ny razantsika Izy sady mahatsiaro ny fanekeny masina, dia ny fianianana izay nianianany tamin’i Abrahama razantsika mba hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, satria afaka amin’ny fahavalontsika isika, amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany, amin’ny andro rehetra hiainantsika. Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe Mpaminanin’ny Avo Indrindra; satria hialoha eo anatrehan’ny Tompo ianao, hamboatra ny lalany. Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelàna ny helony, noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika. Izany no hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika mba hanazava izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana sady hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana. Ary nihalehibe ny zazakely ka nitombo hery am-panahy; nitoetra tany an-tany efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Israely. Tamin’izany andro izany dia nisy didy navoakan’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany. Izany no fanoratana voalohany natao fony i Kirenio nitondra tany Siria. Dia samy nankany amin’ny tanànany avy ny rehetra mba hosoratana. Ary i Josefa koa dia niakatra avy tany Galilia, avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe: Betlehema, satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny ankohonany izy, mba hosoratana izy sy i Maria fofombadiny, izay efa bevohoka. Tamin’ny fotoana naha tany azy ireo no tonga ny andro hiterahan’i Maria. Dia niteraka ny Lahimatoany izy, ary nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao amin’ny tranom-bahiny. Nisy mpiandry ondry tamin’izany faritra izany nitoetra tany an-tsaha niandry ny ondriny tamin’ny alina. Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilan’izy ireo; namirapiratra manodidina azy ny voninahitry ny Tompo ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Izao no ho famantarana ho anareo: Ianareo dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra hoe: Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahiny. Tamin’izany, rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo mpiandry ondry hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika. Dia nandeha haingana izy ireo ka nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona. Nony efa nahita izy ireo dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Izay rehetra nandre dia gaga tamin’izay zavatra nolazain’ny mpiandry ondry taminy. Fa i Maria kosa dia nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary ny mpiandry ondry dia niverina nankalaza sy nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Rehefa tapitra ny havaloana ka hoforana ny Zaza dia nataony hoe JESOSY ny anarany, araka ilay nolazain’ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy. Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalànan’i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy ireo mba hatolotra ho an’ny Tompo araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe Masina ho an’NY TOMPO» (Eks 13.2) ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Domohina roa, na zana-boromailala roa.» (Lev 12.8) Ary indro, nisy lehilahy iray antsoina hoe Simeona, tao Jerosalema; marina sady mpivavaka tsara io lehilahy io ka niandry ny fampiononana ny Israely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. Efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo. Ary noentin’ny Fanahy Masina niditra tao amin’ny tempoly izy; koa rehefa nampidirin’ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanatanterahany Aminy izay fomba fanao araka ny lalàna, dia nitrotro Azy izy ka nidera an’Andriamanitra hoe: Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana, araka ny teninao. Fa ny masoko dia efa nahita ny famonjenao izay nomaninao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana ho fanambaràna amin’ireo firenena sady voninahitry ny Israely olonao. Gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy. Ary nitsodrano azy ireo i Simeona ka niteny tamin’i Maria, renin’ny Zaza, hoe: Indro ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Israely ary ho famantarana holavina, koa ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra mba haseho ny hevitry ny fo maro. Nisy mpaminanivavy iray koa, dia i Ana, zanakavavin’i Fanoela, avy tamin’ny fokon’i Asera; efa antitra tokoa izy ary efa niara-niaina tamin’ny vadiny nandritra ny fito taona taorianan’ny naha virijiny azy, efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona izy ary tsy niala teo amin’ny tempoly fa nanompo andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana. Nony niditra izy tamin’izany ora izany dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo, dia tao Nazareta tanànany. Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no teo Aminy. Nankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-dreniny, rehefa tonga ny andro firavoravoana amin’ny Paska. Koa rehefa roa amby folo taona Jesosy dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ny andro firavoravoana. Rehefa tapitra izany andro izany ka nody izy ireo, Jesosy zaza, dia mbola nijanona tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany; koa satria noheveriny fa niaraka tamin’ireo izay niara-dia taminy Izy dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany. Nony tsy nahita Azy izy ireo dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy. Rehefa afaka hateloana dia hitany tao amin’ny tempoly Izy, nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. Dia talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. Ary raha nahita Azy izy ireo dia gaga ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao izao taminay Ianao? E izato alahelonay sy ny rainao nitady Anao! Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto amin’ny tranon ’ny Raiko Aho? Nefa tsy azon’izy ireo ny teny izay nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny dia nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony. Ary Jesosy nitombo fahendrena sy tena ary fahasoavana teo amin’Andriamanitra sy ny olona. Tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony i Pontio Pilato no governora tany Jodia, i Heroda no mpanapaka tany Galilia, i Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, i Lisaniasy no mpanapaka tany Abilena ary i Anasy sy i Kaiafa no Mpisoronabe, dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an-tany efitra ny tenin’Andriamanitra. Ary nankany amin’ny faritra rehetra any amoron’i Jordana izy nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka; araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’Isaia mpaminany hoe: «Injany misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. Ny lohasaha rehetra dia hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra dia haetry, ny miolikolika dia hahitsy, ny lalana mikitoantoana dia hohamarinina; Ary ny nofo rehetra dia hahita ny famonjen’Andriamanitra» (Isa 40.3-5). Hoy izy tamin’ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana; ary aza miteny anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. Indro, efa mipetraka ao amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Nanontany an’i Jaona ny vahoaka hoe: Inona ary no hataonay? Namaly azy izy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ny tsy manana ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa. Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka niteny taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay? Hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo. Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mampiasa hery amin’ny tsy antony na miampanga lainga, ary aoka ho afa-po amin’ny karamanareo ianareo. Raha mbola niandry ny olona ka samy nieritreritra an’i Jaona tao am-pony, na izy no Kristy na tsia, dia hoy i Jaona tamin’izy rehetra: Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho ao amin’ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo dia hodorany amin’ny afo tsy azo vonoina. Fananarana maro hafa koa no notorìny tamin’ny olona. Fa i Heroda mpanapaka, nony nanarin’i Jaona noho ny amin’i Herodiasy, vadin’ny rahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony, dia nanidy an’i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’izany rehetra izany koa. Rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, koa ny endriny dia tahaka ny voromailala. Dia nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ianao no Zanako malalako; Ianao no sitrako. Tokony ho telopolo taona Jesosy, rehefa nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’i Josefa izay zanak’i Hely, zanak’i Matata, zanak’i Levy, zanak’i Melky, zanak’i Janay, zanak’i Josefa, zanak’i Matatia, zanak’i Amosa, zanak’i Nahoma, zanak’i Esly, zanak’i Nagay, zanak’i Mata, zanak’i Matatia, zanak’i Semeina, zanak’i Joseka, zanak’i Joda, zanak’i Joanana, zanak’i Resa, zanak’i Zerobabela, zanak’i Salatiela, zanak’i Nery, zanak’i Melky, zanak’i Ady, zanak’i Kosama, zanak’i Elmadama, zanak’i Era, zanak’i Jesosy, zanak’i Eliezera, zanak’i Jorima, zanak’i Matata, zanak’i Levy, zanak’i Simeona, zanak’i Joda, zanak’i Josefa, zanak’i Jonama, zanak’i Eliakima, zanak’i Melea, zanak’i Mena, zanak’i Matata, zanak’i Natama, zanak’i Davida, zanak’i Jese, zanak’i Jobeda, zanak’i Boaza, zanak’i Salmona, zanak’i Nahasona, zanak’i Aminadaba, zanak’i Admina, zanak’i Arny, zanak’i Hezroma, zanak’i Fareza, zanak’i Joda, zanak’i Jakoba, zanak’Isaka, zanak’i Abrahama, zanak’i Tera, zanak’i Nahora, zanak’i Seroga, zanak’i Reo, zanak’i Palega, zanak’i Ebera, zanak’i Sela, zanak’i Kenama, zanak’i Arpaksada, zanak’i Sema, zanak’i Noa, zanak’i Lameka, zanak’i Metosela, zanak’i Enoka, zanak’i Jareda, zanak’i Mahalalila, zanak’i Kenama, zanak’i Enosy, zanak’i Seta, zanak’i Adama, zanak’Andriamanitra. Ary feno ny Fanahy Masina Jesosy dia niverina avy tany Jordana, ary noentin’ny Fanahy tany an-tany efitra nandritra ny efapolo andro Izy ka nalain’ny devoly fanahy. Tsy nihinana na inona na inona akory Izy nandritra izany andro izany, koa rehefa tapitra izany dia noana Izy. Ary hoy ny devoly Taminy: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. Fa Jesosy namaly azy hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona» (Deo 8.3). Ary nitondra Azy niakatra ny devoly dia naneho Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao. Hoy ny devoly Taminy: Homeko Anao izao fahefana rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka izay tiako no omeko azy; koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. Fa Jesosy namaly azy hoe: Voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao» (Deo 6.13; 10.20). Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ka niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mivarìna avy eto mankany ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12). Fa Jesosy namaly azy hoe: Voalaza hoe: «Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrao» (Deo 6.16). Rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly dia nandao Azy izy aloha. Ary niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia Jesosy; dia niely tamin’ny faritra rehetra manodidina ny lazany. Nampianatra teny amin’ny sinagogan’ny olona koa Izy ka nankalazain’izy rehetra. Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny sinagoga Izy tamin’ny andro Sabata ka nitsangana hamaky teny. Dia natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy dia nahita ny teny voasoratra hoe: «Ny Fanahin’NY TOMPO no ato Amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mahantra Izy; naniraka Ahy hitory fanafahana amin’ny gadra Izy sy fampahiratana amin’ny jamba, hamerina izay nampahorina ho amin’ny fahafahana, hitory taona ankasitrahan’NY TOMPO» (Isa 61.1, 2). Rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ny mpanao raharaha dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’izay rehetra tao amin’ny sinagoga. Dia hoy Jesosy taminy: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. Ary izy rehetra dia niaiky Azy sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, koa hoy izy: Tsy Zanak’i Josefa va Ity? Hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo Amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Ry mpitsabo, sitrano ny tenanao! Izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny taninao koa. Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ny taniny. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, raha tsy nilatsaka ny orana nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany manontolo; nefa tsy mba nirahina na dia ho any amin’ny iray tamin’ireo aza i Elia, afa-tsy tany Zarefata, any amin’ny tanin’i Sidona ho any amin’ny vehivavy mpitondratena iray. Ary maro no boka teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza, afa-tsy i Namàna Siriana ihany. Ary feno hatezerana izay rehetra teo amin’ny sinagoga, raha nandre izany, dia nitsangana izy ireo ka nandroaka Azy ho any ivelan’ny tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna mba hazerany amin’ny hantsana. Nefa namakivaky teo afovoan’izy ireo Izy ka lasa nandeha. Nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ny Sabata. Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona satria nisy fahefana ny teniny. Nisy olona nanana fanahin’ny demonia maloto tao amin’ny sinagoga, izay niantso tamin’ny feo mahery hoe: Indrisy! Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao. Fa niteny mafy azy Jesosy hoe: Mangìna ianao ka mialà aminy. Ary nony nampianjera azy teo afovoan’ny olona ny demonia dia niala taminy nefa tsy nandratra azy. Dia talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Ahoana izao teny izao! Fa amim-pahefana sy hery no andidiany ny fanahy maloto dia miala ireny. Ary niely teny amin’ny faritra manodidina rehetra ny lazany. Nony nitsangana niala tao amin’ny sinagoga Jesosy dia niditra tao an-tranon’i Simona. Ary tratry ny tazo mafy ny rafozambavin’i Simona; koa nangataka Taminy izy ireo mba hanasitrana azy. Dia niondrika teo aminy Izy ka noteneniny mafy ny tazo dia niala tamin-dRavehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nanompo azy ireo. Rehefa nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samihafa, dia nitondra azy teo Aminy; dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nanasitrana azy. Ary nisy demonia niala tamin’ny maro ka niantso hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy. Nony maraina ny andro dia niala teo Jesosy ka nankany an-tany efitra; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo Aminy ka te hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy. Nefa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. Ary nitoriteny tany amin’ny sinagoga manerana an’i Galilia Izy. Koa satria nifanizina Taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra dia nijanona teo amoron’ny farihin’i Genesareta Jesosy; ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy; fa ny mpanarato dia efa niala taminy ka nanasa ny haratony. Dia niditra teo amin’ny sambokely iray izay an’i Simona Izy, ary nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. Rehefa nitsahatra niteny Jesosy dia hoy Izy tamin’i Simona: Mandrosoa ho any amin’ny lalina dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. Fa namaly i Simona hoe: Tompoko, nandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato. Rehefa nataony izany dia nahazo hazandrano be dia be izy ireo ka efa nisy triatra ny haratony. Ary niantso ny namany izay teo amin’ny sambokely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saika nilentika. Rehefa hitan’i Simona Petera izany dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy ka niteny hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olona mpanota aho. Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ny hazandrano izay azony. Ary toy izany koa i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’i Simona: Aza matahotra; hatramin’izao ankehitriny izao dia olombelona kosa no ho azonao. Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy ireo dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy. Raha tao an-tanàna iray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana. Nony nahita Azy io dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Ianao, dia afaka manadio ahy. Ary nanatsotra ny tanany Jesosy dia nikasika azy ka niteny hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary niala taminy niaraka tamin’izay ny habokany. Ary nandrara azy Jesosy tsy hilaza amin’olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ny mpisorona, ka manaova fanatitra noho ny fanadiovana anao, araka ny nandidian’i Mosesy, ho vavolombelona amin’ireo. Fa vao mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy mba ho sitranina tamin’ny aretiny. Dia niala nankany an-tany efitra Izy ka nivavaka. Indray andro, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampianatra ny Lalàna, izay tonga avy tamin’ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary Jerosalema; ary ny herin’ny Tompo dia tao Aminy mba hanasitranany. Indro, nisy nitondra lehilahy iray izay malemy, tamin’ny fandriana, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany. Koa satria tsy hitan’izy ireo izay hampidirany azy noho ny habetsahan’ny vahoaka dia niakatra teo an-tafontrano ireo ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy Ralehilahy mbamin’ny fandrianany ho eo afovoan’ny olona, dia teo anatrehan’i Jesosy. Ary raha hitan’i Jesosy ny finoan’ireo dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. Fa ny mpanoradalàna sy ny Fariseo niady hevitra hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany? Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo? Inona moa no moramora kokoa, ny milaza hoe: Voavela ny helokao sa ny milaza hoe: Mitsangàna ka mandehana? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ary modia any an-tranonao. Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo anatrehan’ny olona izy ka nibata ny fandrianany, dia lasa nody sady nankalaza an’Andriamanitra. Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka niteny hoe: Efa nahita zava-mahagaga isika androany. Taorianan’izany dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra iray antsoina hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana dia nanaraka Azy. Nanao fanasana lehibe ho an’i Jesosy tao an-tranony i Levy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay nipetraka niara-nisakafo taminy. Fa ny Fariseo sy ny mpanoradalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ny mpianatr’i Jesosy hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota? Fa Jesosy namaly hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka. Ary hoy izy ireo Taminy: Ny mpianatr’i Jaona dia mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa dia mihinana sy misotro ihany. Hoy Jesosy taminy: Azonareo atao va ny mampifady hanina ny havan’ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay andro izay vao hifady hanina izy. Ary nilaza fanoharana taminy koa Izy hoe: Tsy misy olona mandrovitra akanjo vaovao hanalany tapa-damba hanampenana akanjo tonta; fa raha izany dia maharovitra ny vaovao izany, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ny tonta. Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao, dia handoaka ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba foana ny siny hoditra; fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara. Indray Sabata dia nandeha namakivaky tanimbary iray Jesosy; ary nanoty salohim-bary ny mpianany, koa rehefa nokosokosohiny tamin’ny tanany dia nohaniny. Fa ny Fariseo sasany dia niteny hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata? Ary Jesosy namaly azy hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay niaraka taminy, fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy dia nandray ny mofo atao fanatitra ka nihinana sady nanome ho an’izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy mihinana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany? Ary hoy Izy taminy: Tompon’ny Sabata ny Zanak’Olona. Nony tamin’ny Sabata hafa koa dia niditra tao amin’ny sinagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy iray maty tanana havanana tao. Ary ny mpanoradalàna sy ny Fariseo dia nanara-maso Azy, na hanasitrana amin’ny Sabata Izy na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy. Nahalala ny hevitr’ireo Jesosy dia niteny tamin-dRalehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro. Ary hoy Jesosy tamin’ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ny Sabata sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va sa ny mamono? Ary nijery ireo rehetra nanodidina azy Izy dia niteny tamin-dRalehilahy hoe: Atsory ny tananao. Dia nataony izany ka sitrana ny tanany. Dia feno hatezerana izy ireo ka nifampidinika ny amin’izay hataony amin’i Jesosy. Tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy. Nony maraina ny andro dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa amby folo lahy, izay nataony hoe Apostoly, dia i Simona izay nataony hoe Petera, i Andrea rahalahiny, i Jakoba, i Jaona, i Filipo, i Bartolomeo, i Matio, i Tomasy, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona izay atao hoe Zelota, i Jodasy zanak’i Jakoba ary i Jodasy iskariota, ilay tonga mpamadika. Niara-nidina tamin’izy ireo Jesosy, dia nijanona teo amin’ny tany marin-tampona iray Izy sy ny mpianany maro mbamin’ny vahoaka betsaka avy tany Jodia manontolo sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tiro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ny aretiny; ary izay nampahorin’ny fanahy maloto dia nositranina. Nitady hikasika Azy ny vahoaka rehetra satria nisy hery niala Taminy ka nahasitrana azy rehetra. Ary nanopy ny masony tamin’ny mpianany Jesosy ka nilaza hoe: Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo. Sambatra ianareo, raha halan’ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ka mibitaha; fa indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany. Lozanareo izay manankarena kosa! Fa efa azonareo izay naha afa-po anareo. Lozanareo izay voky ankehitriny! Fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny! Fa mbola ho ory sy hitomany ianareo. Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! Fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka. Kanefa hoy Aho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo; ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao iray dia atolory azy koa ny iray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka izay anao dia aza mitaky izany aminy. Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no mba ataovy aminy kosa. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no fankasitrahana ho azonareo? Fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no fankasitrahana ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao toy izany koa. Raha mampisambotra amin’izay olona antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no fankasitrahana ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra amin’ny mpanota, handraisany toraka izany indray. Koa tiava ny fahavalonareo ary manaova soa, dia mampisambora ka aza manantena valiny, dia ho lehibe ny valim-pitianareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo ianareo tahaka ny Rainareo izay Mpamindra fo. Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia mba havela ianareo; omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa. Nilaza fanoharana taminy koa Jesosy hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa? Tsy mihoatra noho ny mpampianatra ny mpianatra; fa izay rehetra tsara fiofanana dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany. Nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo na voaloboka amin’ny voaroy. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vavany. Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko! Tompoko! Nefa tsy manatanteraka izay lazaiko? Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy dia hasehoko aminareo izay tahaka azy: Tahaka ny olona nanorina trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy; koa nony tondraka ny rano dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy satria tsara fanorenana izy. Fa izay mandre, nefa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanorina trano teo ambonin’ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka ka nirodana niaraka tamin’izay izy; ary loza ny faharavan’izany trano izany. Rehefa vitan’i Jesosy teo anatrehan’ny olona izany toriteniny rehetra izany dia nankany Kapernaomy Izy. Narary efa ho faty ny mpanompon’ny kapiteny iray, izay tiany. Koa raha nahare ny amin’i Jesosy ilay kapiteny dia naniraka loholon’ny Jiosy hankeo Aminy mba hangataka Azy ho avy ka hanasitrana ny mpanompony. Rehefa tonga teo amin’i Jesosy ireo dia nangataka mafy Taminy ka niteny hoe: Mendrika ny hanaovanao izany izy satria tia ny firenentsika izy sady izy no efa nanorina ny sinagoga ho antsika. Ary nandeha niaraka taminy Jesosy. Rehefa teo akaikin’ny trano Izy dia naniraka namana hitsena Azy ilay kapiteny ka niteny Taminy hoe: Tompoko, aza misahirana Ianao; fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho. Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy mendrika hankeo Aminao; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko. Fa izaho koa mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; koa hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy, ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy, ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy. Nony nahare izany Jesosy dia gaga taminy; ary nitodika Izy ka niteny tamin’ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia teo amin’ny Israely aza. Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo dia hitany fa sitrana ilay mpanompo. Taoriana kelin’izany Jesosy dia nankany amin’ny tanàna iray atao hoe Naina; ary nanaraka Azy ny mpianany sy vahoaka betsaka. Ary rehefa nanakaiky ny vavahadin’ny tanàna Izy dia indro, nisy fatin’ny lehilahy iray noentina halevina, izay zanaka lahitokan’ny reniny sady mpitondratena Ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy. Nony nahita an-dRavehivavy ny Tompo dia onena azy ka hoy Izy taminy: Aza mitomany! Ary nanatona Izy ka nikasika ny tranovorona dia nijanona ireo izay nilanja. Ary hoy Jesosy: Ry zatovo, hoy Aho aminao: Miarena! Dia niarina ny maty sady niteny ka natolony ny reniny. Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony. Dia niely nanerana an’i Jodia sy ny tany manodidina rehetra ny lazan’i Jesosy ny amin’izany zavatra izany. Ny mpianatr’i Jaona dia nanambara izany rehetra izany taminy. Ary niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy i Jaona, dia naniraka azy hankany amin’ny Tompo hilaza hoe: Ianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo dia niteny hoe: Naniraka anay hankaty aminao i Jaona Mpanao batisa hanontany hoe: Ianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Tamin’izany ora izany dia nahasitrana olona maro tamin’ny rofy sy ny aretina ary ny fanahy ratsy Jesosy sady nampahiratra ny jamba maro. Dia namaly azy ireo Izy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, diovina ny boka, mahare ny marenina, atsangana ny maty ary ny mahantra dia itoriana ny Filazantsara. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko! Nony lasa ny irak’i Jaona dia nilaza ny amin’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-tany efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba mirentirenty va? Indro, ny mitafy lamba mirentirenty sy miaina amin’ny fahafinaretana dia ao an-dapan’ny mpanjaka. Sa hizaha inona no nalehanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. Fa izy ilay voasoratra hoe: «Indro Aho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny lalanao eo alohanao» (Mal 3.1). Lazaiko aminareo: Tsy misy lehibe noho i Jaona amin’izay nateraky ny vehivavy; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia lehibe noho izy. Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre dia nanamarina an’Andriamanitra satria natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona izy ireny. Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa dia nandà ny fikasan’Andriamanitra satria tsy mba nanatona hataon’i Jaona batisa. Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin’ity taranaka ity? Tahaka ny inona moa izy? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao hira fisaonana izahay nefa tsy nitomany ianareo. Fa tonga i Jaona Mpanao batisa, tsy nihinan-kanina na nisotro divay, dia hoy ianareo: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak’Olona mihinana sy misotro kosa, dia hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny zanany rehetra. Nisy Fariseo iray nanasa an’i Jesosy hiara-misakafo aminy; dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nisakafo. Ary indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, koa rehefa fantany fa nipetraka nisakafo tao an-tranon’ilay Fariseo Jesosy dia nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra izy; ary nijanona tao aorianany teo anilan’ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra. Nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy dia niteny anakampo hoe: Raha mpaminany Ity dia ho nahafantatra io vehivavy mikasika Azy io sy ny momba azy; fa mpanota io. Fa hoy Jesosy taminy: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Mpampianatra ô, lazao ary. Nisy roa lahy nananan’ny mpampindram-bola iray trosa: Ny iray dia nananany denaria dimanjato, ary ny iray kosa dia dimampolo. Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy dia samy navelany. Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy kokoa? Dia namaly i Simona hoe: Heveriko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao. Ary nitodika nijery an-dRavehivavy Jesosy ka niteny tamin’i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa dia nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony ary namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; nefa izy, hatrizay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. Ny lohako dia tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa dia nanosotra menaka manitra ny tongotro. Koa amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony marobe, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana. Dia hoy Izy tamin-dRavehivavy: Voavela ny helokao. Ary izay niara-nihinana taminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka? Ary hoy Izy tamin-dRavehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana amin’ny fiadanana. Taoriana kelin’izany dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny Filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra; ary nanaraka Azy ny roa amby folo lahy mbamin’ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Magdalena izay efa nialan’ny demonia fito sy i Johana, vadin’i Koza, mpitandrina ny fananan’i Heroda, ary i Sosana mbamin’ny maro hafa koa, izay nanompo azy ireo tamin’ny fananany. Nisy vahoaka betsaka niangona, dia nanatona Azy ny olona avy tamin’ny isan-tanàna ka nilaza fanoharana Izy hoe: Niainga hamafy ny voa ny mpamafy; rehefa namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka ary lanin’ny voromanidina. Ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany be vato; ary raha vao naniry izany dia nalazo satria tsy nisy hamandoana. Ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary niara-naniry taminy ny tsilo ka nangeja azy. Ary sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia naniry ka namoa avo zato heny. Rehefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino. Ary nanontany Azy ny amin’izay hevitr’izany fanoharana izany ny mpianany. Dia hoy Izy: Ianareo no navela hahalala ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ny olon-kafa dia fanoharana no atao mba «Hijery izy fa tsy hahita ary hahare fa tsy hahafantatra» (Isa 6.9). Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manala ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. Ireo teny amin’ny tany be vato dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ny hafaliana; nefa tsy niorim-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’izay andro isehoan’ny fakam-panahy dia mihemotra izy. Ireo teny amin’ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy dia voagejan’ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara ka mitana izany ary mamoa amin’ny faharetana. Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy amin’ny kapoaka na nametraka azy ao ambanin’ny farafara; fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho hitan’izay miditra ny mazava. Fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy hiharihary. Koa tandremo ny fomba fihainoanareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay heveriny ho ananany aza, dia halaina aminy. Ary nanatona Azy ny renin’i Jesosy sy ny rahalahiny, nefa tsy afaka nihaona Taminy noho ny vahoaka. Dia nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao dia mijanona ato alatrano ta hahita Anao. Fa Izy namaly azy ireo hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’Andriamanitra ka mankatò azy. Indray andro dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny ampitan’ny farihy; dia lasa izy ireo. Nony nandeha ny sambokely dia resin-tory Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin’ny farihy ka nila ho feno rano ny sambo, ary saika nahita loza izy ireo. Ary nanatona izy ireo dia namoha Azy ka niteny hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Dia nitsahatra izany ka tonga tony tsara ny andro. Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity no miteny mafy ny rivotra sy ny rano ka manaiky Azy izany! Dia nitody tany amin’ny tanin’ny Geraseniana izay tandrifin’i Galilia izy ireo. Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy dia nifanena Taminy ny lehilahy iray avy tao an-tanàna, izay nanana demonia, ary efa ela izy no tsy niakanjo sady tsy nitoetra an-trano, fa teny amin’ny fasana. Fa nony nahita an’i Jesosy izy dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Ianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Miangavy Anao aho, aza mampijaly ahy. Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dRalehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ny rojo sy norohizina ny tongony ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana ka noentin’ny demonia niriotra nankany an-tany efitra izy. Ary nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; satria demonia maro no efa niditra tao anatiny. Dia nifona Taminy ireo mba tsy handidiany azy hankany amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nihinana teny an-tendrombohitra, ary ireo demonia dia nangataka Taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nomeny lalana ireo. Ary rehefa niala tamin-dRalehilahy ireo demonia dia niditra tao anatin’ny kisoa; ary ilay andian-kisoa dia nitratrevatreva tamin’ny hantsana ho any amin’ny farihy ka maty an-drano tao. Nony nahita ny zava-nitranga ireo mpiandry kisoa dia nandositra ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia niainga ny olona mba hizaha izay zava-nitranga; ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo dia nahita an-dRalehilahy izay efa nialan’ny demonia, nipetraka teo anilan’ny tongotr’i Jesosy, niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo. Ary izay nahita dia nanambara tamin’ny olona ny namonjena ilay demoniaka. Ary nangataka an’i Jesosy mba hiala aminy ny olona rehetra tany amin’ny faritry ny Geraseniana manodidina satria raiki-tahotra indrindra izy ireo; dia niondrana an-tsambokely Jesosy ka niverina. Ary ilay lehilahy izay efa nialan’ny demonia dia nangataka mba hijanona eo Aminy; nefa nasain’i Jesosy nandeha izy sady noteneniny hoe: Modia ihany any an-tranonao ka ambarao izay rehetra nataon’Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ny tanàna izay rehetra nataon’i Jesosy taminy. Nony tafaverina Jesosy dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra. Ary indro, tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny sinagoga; dia niankohoka teo amin’ny tongotr’i Jesosy izy ka niangavy Azy mba hiditra ao an-tranony. Fa nanana zanaka vavitokana tokony ho roa amby folo taona izy, ary efa ho faty Razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy dia nifanizina Taminy teny an-dalana ny vahoaka. Ary nisy vehivavy iray narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny mpitsabo, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory ireny. Dia nankao aorianan’i Jesosy Ravehivavy ka nikasika ny morontongotr’akanjony, ary niaraka tamin’izay dia nijanona ny fandehan’ny ra taminy. Ary hoy Jesosy: Iza moa no nikasika Ahy? Rehefa samy nandà izy rehetra dia hoy i Petera sy ny namany: Tompoko, mifanositosika ny vahoaka betsaka ka manery Anao. Fa hoy Jesosy: Nisy olona nikasika Ahy; fantatro fa nisy hery niala avy tamiko. Rehefa hitan-dRavehivavy fa tsy afaka niafina izy dia nangovitra izy ka nankeo Aminy sady niankohoka teo anatrehany ary nanambara teo anatrehan’ny vahoaka rehetra izay anton’ny nikasihany Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin’izay. Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amin’ny fiadanana. Ary raha mbola niteny Jesosy dia tonga ny iray avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka niteny hoe: Maty ny zanakao vavy; aza manahirana ny Mpampianatra intsony. Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho voavonjy izy. Rehefa tonga tao an-trano Izy dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy afa-tsy i Petera sy i Jaona ary i Jakoba mbamin’ny ray aman-drenin-dRazazavavy. Ary nitomany sy niteha-tratra noho ny aminy ny olona rehetra; fa Jesosy niteny hoe: Aza mitomany, tsy maty izy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty Razazavavy. Ary nandray ny tanany Izy ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena! Dia nody indray ny ainy ka niarina niaraka tamin’izay izy, ary nasainy nomena sakafo. Dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara azy tsy hilazalaza amin’olona ny zava-nitranga. Niantso ny roa amby folo lahy hankeo Aminy Jesosy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demonia rehetra sy hanasitrana aretina. Ary naniraka azy ireo handeha hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary Izy. Hoy Izy taminy: Aza mitondra zavatra eny an-dalana, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa. Ao amin’izay trano idiranareo no itoero, ary avy ao indray no ialao. Izay tsy mampandroso anareo, raha miala amin’izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny Filazantsara sady nahasitrana teny rehetra teny. Nandre izay rehetra nitranga i Heroda mpanapaka ka very hevitra noho ny filazan’ny olona; fa hoy ny sasany: I Jaona no nitsangana tamin’ny maty; ary hoy ny sasany: I Elia no niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny iray amin’ny mpaminany fahiny no nitsangana. Fa hoy i Heroda: Raha i Jaona dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa izao, izay andrenesako izao zavatra izao? Ary naniry hahita Azy izy. Rehefa niverina ny Apostoly dia nanambara tamin’i Jesosy izay efa nataony. Ary nitondra azy ireo Izy ka nandeha nitokana nankany amin’ny tanàna atao hoe Betsaida. Nony nahafantatra ny vahoaka dia nanaraka Azy; dia nandray azy ireo tsara Izy ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny. Rehefa ho hariva ny andro dia nanatona ny roa amby folo lahy ka niteny Taminy hoe: Ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny tanàna manodidina sy any amin’ny vohitra mba hiditra an-trano sy hitady sakafo, fa atỳ an-tany efitra isika. Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy sakafo ho an’ireo olona rehetra ireo. Fa tokony ho dimy arivo lahy ireo. Ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Asaivo mipetraka mitsitokotoko tokony ho dimampolo avy izy ireo. Dia nataony izany ka nasainy nipetraka izy rehetra. Ary rehefa noraisin’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny amin’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany ka nisy roa amby folo harona. Ary raha nivavaka tao amin’ny mangingina Jesosy, sady niaraka Taminy ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy hoe: Iza moa Aho araka ny filazan’ny olona? Dia namaly ireo hoe: I Jaona Mpanao batisa; nefa ny sasany kosa dia mihevitra Anao ho Elia, ary ny sasany indray dia hoe: Ny iray amin’ny mpaminany fahiny no efa nitsangana. Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa dia milaza Ahy ho iza? Dia namaly i Petera hoe: Ny Kristin’Andriamanitra. Ary niteny mafy azy ireo Izy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin’olona ka niteny hoe: Ny Zanak’Olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna sady hovonoiny; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana. Hoy Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isanandro ka hanaraka Ahy. Koa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko, dia izy no hamonjy izany. Fa inona no tombony azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa ho very ny ainy, na ho faty antoka amin’izany izy? Na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko dia ho menatra azy kosa ny Zanak’Olona, raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy ary ny an’ny anjely masina. Fa lazaiko aminareo marina: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra. Rehefa tokony ho havaloana taorianan’izany teny izany dia nitondra an’i Petera sy i Jaona ary i Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady namirapiratra. Ary indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Mosesy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra ka nilaza ny fialany izay efa ho tanteraka any Jerosalema. I Petera sy ny namany kosa dia navesatry ny torimaso, ary nony nahatsiaro izy ireo dia nahita ny voninahitr’i Jesosy sy izy roa lahy izay niaraka Taminy. Ary rehefa hisaraka Taminy ireo dia hoy i Petera tamin’i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hamboatra tranolay telo: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy. Ary raha mbola niteny izany izy dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin’ny rahona ireo dia raiki-tahotra ireo mpianatra telo lahy. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. Rehefa nitsahatra ilay feo dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin’olona na dia iray akory aza tamin’izany andro izany ny amin’izay zavatra efa hitany. Nony ampitson’iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an’i Jesosy. Ary indro, nisy lehilahy iray avy teo amin’ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, miangavy Anao aho mba hijery ny zanako! Fa zanako lahitokana izy. Indro, misy fanahy mahazo azy ka miantsoantso tampoka izy; mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy ilay fanahy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorovana azy. Nangataka tamin’ny mpianatrao aho mba handroaka izany fa tsy vitany. Ary hoy Jesosy: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento atỳ ny zanakao. Rehefa nanatona izy dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Dia niteny mafy ilay fanahy maloto Jesosy ka nanasitrana ilay zazalahy; dia natolony ny rainy izy. Ary talanjona izy rehetra noho ny fahalehibiazan’Andriamanitra. Raha talanjona izy rehetra tamin’izay rehetra nataon’i Jesosy dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Ampidiro ao amin’ny sofinareo izao teny izao, fa ny Zanak’Olona efa hatolotra eo an-tanan’ny olona. Nefa tsy azon’ny mpianatra io teny io sady nafenina azy ireo izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin’io teny io izy. Dia nisy eritreritra tao amin’izy ireo ny amin’izay mety ho lehibe eo aminy. Nahalala ny fisainan’ny fony Jesosy ka nandray zaza iray ary nametraka azy teo anoloany; ary hoy Izy tamin’ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra dia izy no lehibe. Ary hoy i Jaona: Mpampianatra ô! Izahay nahita olona iray nandroaka demonia tamin’ny anaranao, koa noraranay izy satria tsy manaraka antsika. Fa hoy Jesosy taminy: Aza rarana, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo. Rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an’i Jesosy dia nitodi-doha tamim-pahavononana tanteraka hankany Jerosalema Izy. Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny vohitra iray izay an’ny Samaritana mba hanomana ny fandraisana Azy. Fa tsy nandray Azy ny olona satria hita ho nandroso ho any Jerosalema Izy. Ary raha hitan’i Jakoba sy i Jaona mpianany izany dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo? Fa nitodika Izy dia niteny mafy azy hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak’Olona tsy tonga hahavery ny ain’olona fa hamonjy azy. Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. Nony nandroso teny an-dalana izy ireo dia nisy olona iray nilaza tamin’i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao. Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo dia manan-davaka ary ny voromanidina dia manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. Ary hoy koa Izy tamin’ny olona iray hafa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa io: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa dia mandehana ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra. Hoy koa ny olona iray hafa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana angadinomby sady miherika ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra. Taorianan’izany dia nanendry olona hafa koa ny Tompo, fitopolo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay nokasainy haleha. Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany, mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba handefa mpiasa hanangona ny vokatra. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. Ao amin’izay trano idiranareo dia milazà aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity! Raha misy zanaky ny fiadanana ao dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany dia hiverina ho aminareo ihany izany. Ary mitoera ao amin’izany trano izany ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano. Ary ao amin’izay tanàna idiranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo. Sitrano izay marary ao ka lazao amin’ny olona hoe: Efa akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra. Fa ao amin’izay tanàna idiranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eny amin’ny lalambe ka lazao hoe: Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ny tongotray, dia ahintsanay ho anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Sodoma amin’izany andro izany noho ny ho amin’izany tanàna izany. Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tiro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela izy ka nanao akanjo fisaonana sy nipetraka tamin’ny lavenona. Fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tiro sy i Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty ianao. Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. Niverina tamin’ny fifaliana ny fitopolo lahy ka nilaza hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao. Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’i Satana nilatsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory. Kanefa aza mifaly ianareo satria manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka niteny hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. Ny zavatra rehetra dia natolotry ny Raiko Ahy; tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Ary nitodika tamin’ny mpianatra Izy dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo fa tsy nahita, ary naniry hahare izay renareo fa tsy nahare. Ary indro, nisy mpahay lalàna iray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako ny fiainana mandrakizay? Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna? Ahoana no famakianao azy? Ary hoy izy hoe: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5); ary, «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Dia hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany dia ho velona ianao. Fa izy ta hanamarin-tena ka niteny tamin’i Jesosy hoe: Iza ary no namako? Ary Jesosy namaly hoe: Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema hankany Jeriko ka nifanojo tamin’ny jiolahy, dia nendahany sady nokapohiny, ary nilaozany, rehefa saika maty. Ary sendra nisy mpisorona iray nidina tamin’izany lalana izany; ary raha nahita an-dRalehilahy izy dia nandalo azy. Ary toy izany koa ny levita iray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa. Fa nisy kosa Samaritana iray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy dia onena. Dia nanatona izy ka nofeheziny ny feriny sady nasiany diloilo sy divay; dia napetrany teo ambonin’ny borikiny izy ka noentiny ho any amin’ny tranom-bahiny dia nokarakarainy. Ary ny ampitson’iny dia naka vola denaria roa izy ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny sady hoy izy taminy hoe: Karakarao izy; ary na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho. Iza moa amin’izy telo lahy no heverinao ho naman’ilay azon’ny jiolahy? Dia hoy izy: Ilay niantra azy. Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao ka mba manaova toy izany koa. Raha nandeha izy ireo dia niditra teo amin’ny vohitra iray Jesosy; ary nisy vehivavy iray antsoina hoe Marta, nampiantrano Azy. Nanana rahavavy antsoina hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny. Fa i Marta kosa dia sahirana tamin’ny fanompoana maro; dia avy izy ka niteny hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy. Fa ny Tompo namaly azy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao; nefa zavatra iray loha no ilaina; fa i Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy. Nivavaka tao amin’ny toerana iray Jesosy, koa rehefa nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany iray Taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’i Jaona ny mpianany koa. Hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo dia ataovy hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay isanandro izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa dia mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy. Hoy koa Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza izay hankeo aminy mamatonalina ka hilaza aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; fa ny namako dia tonga ao amiko avy tany amin’ny nalehany ka tsy misy harosoko azy; ary ilay ao an-trano kosa dia hamaly hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako dia efa mandry eto am-pandriana miaraka amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho. Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fihavanana aza izy dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy. Hoy Izaho aminareo: Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? Na angatahany hazandrano ka hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano? Na angatahany atody ka hanome azy maingoka? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahay hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy? Nandroaka demonia moana Jesosy. Ary rehefa niala ny demonia dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka. Fa hoy ny sasany: Amin’ny alalan’i Belzeboba, lehiben’ny demonia, no androahany ny demonia. Fa ny sasany kosa dia naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra Taminy. Fa nahalala ny heviny Izy ka niteny taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano. Ary raha i Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan’ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Amin’ny alalan’i Belzeboba no androahako ny demonia. Fa raha Izaho mandroaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba dia amin’ny alalan’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa amin’izany dia ho mpitsara anareo ireo. Fa raha ny rantsantanan’Andriamanitra no androahako ny demonia dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha ny mahery mivonona amin’ny fiadiany no miaro ny tranony dia tsy haninona ny fananany. Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy. Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory Amiko dia mampihahaka. Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nialako aho. Nony tonga izy dia hitany fa voafafa sy voalamina ny trano. Dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny fiafaran’izany olona izany dia ratsy noho ny tamin’ny voalohany. Raha nilaza izany Jesosy dia nisy vehivavy iray teo amin’ny vahoaka niantso ka niteny taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao. Fa hoy Izy: Sambatra kokoa izay mandre ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany. Raha mbola niangona ny vahoaka betsaka dia nilaza Izy hoe: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona; fa tahaka an’i Jona, izay famantarana tamin’ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak’Olona amin’ity taranaka ity. Ny mpanjakavavy avy any atsimo dia hiara-mitsangana amin’ny lehilahy amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy any amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa indro, misy lehibe noho i Solomona eto. Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ny olona tany Ninive ka hanameloka azy, fa izy ireo dia nibebaka tamin’ny nitorian’i Jona teny; nefa indro, misy lehibe noho i Jona eto. Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka na ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho hitan’izay miditra ny mazava. Ny masonao no jiron’ny tena; koa raha tsara ny masonao dia mazava ny tenanao manontolo; fa raha ratsy izany dia maizina koa ny tenanao. Koa tandremo mba tsy ho maizina ny mazava izay ao anatinao. Ary amin’izany, raha mazava ny tenanao manontolo ka tsy misy faritra maizina, dia hazava avokoa izy manontolo, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao. Raha mbola niteny Jesosy dia nisy Fariseo nanasa Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nisakafo. Dia gaga ilay Fariseo, raha nahita, fa tsy nisasa Izy talohan’ny sakafo. Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno fandrobana sy faharatsiana. Ry adala! Tsy Izay nanao ny ivelany va no nanao ny atiny koa? Koa ny zavatra ao anatiny no omeo ho fiantrana, dia indro, ho madio ho anareo ny zavatra rehetra. Fa lozanareo, Fariseo! Fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo iretsy. Lozanareo, Fariseo! Fa tia ny toerana eny aloha ao amin’ny sinagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo. Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy misy hahafantarana azy ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy. Ary hoy ny iray tamin’ireo mpahay lalàna Taminy: Mpampianatra ô, raha miteny izany Ianao, dia manala baraka anay koa. Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! Fa mampitondra entana sarotra entina ny olona ianareo, nefa tsy mikasika izany entana izany akory ianareo na dia amin’ny rantsantananareo iray aza. Lozanareo! Fa manorina ny fasan’ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy ireny. Dia vavolombelona ianareo ka mankasitraka ny asan’ny razanareo; fa izy ireny no namono azy, ary ianareo kosa dia manorina ny fasany. Koa izany no nilazan’ny fahendren’Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy Apostoly ho any aminy Aho, koa ny sasany dia hovonoiny, ary ny sasany dia henjehiny, mba hadinina amin’ity taranaka ity ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo fa hadinina amin’ity taranaka ity izany. Lozanareo, mpahay lalàna satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana; ianareo dia tsy niditra ary izay te hiditra dia nosakananareo. Ary raha niala teo Izy dia nanomboka nanery Azy tamin-katezerana ny mpanoradalàna sy ny Fariseo ka nampiteny Azy momba ny zavatra maro. Dia nikendry Azy izy ireo mba hamandrika Azy amin’izay teny aloaky ny vavany. Tamin’izany, raha niangona ny vahoaka betsaka, an’arivony maro, ka nifanitsa-kitro, dia niteny tamin’ny mpianany aloha Jesosy hoe: Mitandrema ianareo amin’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy. Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ny maizina dia ho re eo amin’ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ny efitrano dia hotorìna eny amin’ny tampon-trano. Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa aorianan’izany dia tsy mahavita na inona na inona mihoatra noho izany. Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manampahefana hanary any amin’ny afobe, rehefa nahafaty; eny, hoy Aho aminareo: Matahora Azy. Tsy asariona roa va no vidin’ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia heken’ny Zanak’Olona izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra; fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ny olona dia holavina kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra. Fa na zovy na zovy no hiteny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka. Ary raha entina ho ao amin’ny sinagoga sy ny mpitsara ary ny manampahefana ianareo dia aza manahy izay havalinareo na izay holazainareo; fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo. Nisy olona iray teo amin’ny vahoaka niteny tamin’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara eo aminareo? Ary hoy Izy tamin’ny olona: Mitandrema ianareo ka miarova tena amin’ny fitiavan-karena; fa ny ain’ny olona dia tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany. Dia nilaza fanoharana taminy Izy hoe: Nahavokatra be ny tanin’ny lehilahy manankarena iray. Ary nihevitra tao am-pony izy hoe: Ahoana no hataoko fa tsy manana toerana hamoriako ny vokatro aho? Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitahirizako aho ka hanangana izay lehibe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. Dia hilaza amin’ny fanahiko aho hoe: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa Andriamanitra kosa niteny taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, koa ho an’iza izay zavatra noharìnao? Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Fa ny aina dia mihoatra noho ny hanina ary ny tena noho ny fitafiana. Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitahirizana, nefa Andriamanitra no mamelona azy ireny; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo? Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia hakiho iray aza? Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa? Hevero ny fanirin’ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia i Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny iray amin’ireny. Koa raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana? Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahiahy foana. Fa ny Jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; nefa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany. Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. Amidio ny fanananareo ka atolory ho fiantrana, manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra atonina sady tsy misy kalalao manimba. Fa izay itoeran’ny harenanareo dia ho any koa ny fonareo. Aoka hisikina ianareo, ary aoka hirehitra ny jironareo; aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, koa nony tonga sy mandondòna izy dia vohàny miaraka amin’izay. Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony dia hampipetraka azy ireo hisakafo, ary ho avy ka hanompo azy. Ary na amin’ny fotoam-piambenana faharoa amin’ny alina izy no tonga na amin’ny fotoam-piambenana fahatelo ka mahita toy izany dia sambatra ireo mpanompo ireo. Fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina. Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’Olona amin’izay ora tsy ampoizinareo. Hoy i Petera: Tompoko, ho anay va no ilazanao izany fanoharana izany sa ho an’ny olona rehetra? Hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara sakafo ara-potoana? Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony fa indro, manatanteraka izany, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpiandraikitra ny fananany rehetra izy. Fa raha miteny anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy; dia mikapoka ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hofaiziny mafy izy ka homeny anjara any amin’ny tsy mahatoky. Ilay mpanompo izay mahafantatra ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy miomana na manatanteraka izay sitraky ny fony dia hokapohina be. Fa izay tsy nahafantatra kosa ka nanatanteraka izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be no hitadiavana be; ary izay nampitahirizina be no hitakina bebe kokoa. Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ny tany Aho; koa toy inona ny faniriako mba hirehetan’izany sahady? Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho; koa toy inona ny tebitebiko ambara-pahatanterany! Heverinareo va fa tonga hanome fihavanana etỳ ambonin’ny tany Aho? Tsia, hoy Aho aminareo fa fampisarahana. Fa hatramin’izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao amin’ny trano iray, ny telo dia hanohitra ny roa ary ny roa dia hanohitra ny telo. Hisara-tsaina ireo, koa ny ray dia hanohitra ny zanakalahy ary ny zanakalahy dia hanohitra ny ray; ny reny dia hanohitra ny zanakavavy ary ny zanakavavy dia hanohitra ny reny; ny rafozam-bavy dia hanohitra ny vinantovaviny, ary ny vinantovavy dia hanohitra ny rafozam-bavy. Hoy Jesosy tamin’ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’izay, dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany. Ary raha avy any atsimo ny rivotra dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany. Ianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao? Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara izay marina? Fa raha miara-mandeha amin’ny manana ady aminao ianao hanatrika ny lehibe, raha mbola any an-dalana, dia ezaho izay hifanarahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ny mpitsara izy, ary ny mpitsara dia hanolotra anao amin’ny mpamatotra, ary ny mpamatotra dia hampiditra anao any an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny kaodiranta farany indrindra. Tamin’izany andro izany dia nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’i Jesosy ny nanjo ireo Galiliana izay naharoharon’i Pilato tamin’ny fanatiny ny rany. Fa Jesosy namaly azy hoe: Heverinareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra satria niharan’izany zavatra izany? Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo rehetra dia ho ringana toy izany koa. Ary ireny valo amby folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, heverinareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny? Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo rehetra dia ho ringana tahaka izany koa. Nilaza ity fanoharana ity koa Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo amin’ny tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy fa tsy nahita. Dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny tanim-boaloboka: Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany? Fa namaly ny mpikarakara hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy ka hasiako zezika; mety mbola hamoa izy; fa raha tsy izany dia hokapainao ihany. Nampianatra tao amin’ny sinagoga iray Jesosy tamin’ny Sabata. Ary indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy nandritra ny valo amby folo taona; nanjoko izy ka tsy afa-nitraka mihitsy. Rehefa nahita azy Jesosy dia niantso azy ka niteny hoe: Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao. Dia nametraka ny tanany taminy Izy; ary niaraka tamin’izay dia nitraka Ravehivavy ka nankalaza an’Andriamanitra. Tezitra anefa ny mpanapaka ny sinagoga satria nanasitrana tamin’ny Sabata Jesosy ka niteny tamin’ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa mandritra izany no tongava hositranina fa tsy amin’ny andro Sabata. Fa ny Tompo namaly azy hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona va ianareo amin’ny Sabata ka mitondra azy hisotro rano? Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana nandritra ny valo amby folo taona, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va? Ary raha nilaza izany Izy dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra dia nifaly noho ny zavatra malaza rehetra izay nataony. Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’Andriamanitra? Ary inona no hanoharako azy? Tahaka ny voantsinapy izy, izay nalain’olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga hazo; ary ny voromanidina dia nanorina ny akaniny teo amin’ny rantsany. Hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra? Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ny vehivavy iray ka nafangarony tamin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny masirasira azy rehetra. Nandeha nitety tanàna sy vohitra Jesosy ka nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema. Dia hoy ny olona iray taminy: Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ny olona: Misisiha hiditra amin’ny varavarana ety ianareo; fa hoy Aho aminareo: Maro no hitady hiditra fa tsy ho afaka. Raha vao mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary mijanona eo alatrano ianareo ka manomboka mandondòna ny varavarana ka miteny hoe: Tompoko, vohay izahay! Dia hamaly Izy ka hilaza aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; ary amin’izay ianareo dia hilaza hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay ary nampianatra teny an-dalambenay Ianao. Fa Izy hiteny aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao heloka. Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, rehefa mahita an’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba sy ny mpaminany rehetra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianareo, fa ianareo kosa dia voaroaka any ivelany. Ary ho tonga ny avy any atsinanana sy ny avy any andrefana ary ny avy any avaratra sy ny avy any atsimo ka hipetraka hisakafo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary indro, misy izay farany ho voalohany ary izay voalohany ho farany. Tamin’izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’i Jesosy ka niteny taminy hoe: Mandehana Ianao ka mialà eto; fa ta hamono Anao i Heroda. Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’izany amboahaolo izany hoe: Indro, mandroaka demonia sy manasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny Amiko. Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso ary raha afaka ampitso; fa ny mpaminany dia tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho any aminao, impiry Aho no ta hanangona ny zanakao tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany fa tsy nety ianareo! Indro, avela ho lao ny tranonareo! Ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: «Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO» (Sal 118.26). Raha niditra mba hisakafo tao an-tranon’ny loholona iray amin’ny Fariseo Izy tamin’ny Sabata dia nanara-maso Azy ireo. Ary indro, nisy olona manirano iray teo anatrehany. Ary hoy Jesosy tamin’ireo mpahay lalàna sy ny Fariseo: Mety va ny manasitrana amin’ny Sabata sa tsia? Fa tsy nahateny izy ireo. Ary nandray ilay marary Izy dia nanasitrana azy ka nandefa azy handeha. Ary nilaza tamin’ireo Izy hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy avy hatrany na dia amin’ny andro Sabata aza? Ary tsy nahavaly ny amin’izany zavatra izany izy ireo. Ary nilaza fanoharana tamin’izay nasaina Jesosy, raha nahita azy ireo nifidy ny toerana teny aloha, ka niteny taminy hoe: Raha misy manasa anao ho any amin’ny fampakaram-bady, aza mipetraka amin’ny toerana eny aloha, fandrao hisy olona nasaina izay mihaja kokoa noho ianao, ary ho avy izy sy ilay nanasa anao ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io, dia ho menatra ianao ka hifindra ho amin’ny toerana any aoriana indrindra. Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha amin’ny toerana any aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao dia hiteny aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-misakafo aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry ary izay manetry tena kosa no hasandratra. Hoy kosa Jesosy tamin’ilay nanasa Azy: Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiaramonina manankarena no asainao, fandrao hanasa anao koa ireo ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao dia asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra ianao satria tsy mba manana havaly izay nataonao ireo; fa hovalìna kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina. Ary ny iray tamin’izay niara-nisakafo Taminy dia nandre izany ka niteny taminy hoe: Sambatra izay hisakafo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona iray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ny fotoana fisakafoanana mba hilaza amin’ireo efa nasaina hoe: Andeha, fa efa vonona izao ny fanasana. Fa nitovy saina izy rehetra ka samy niala tsiny. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; miangavy anao aho, ekeo ny fialan-tsiniko. Ary hoy koa ny iray: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; miangavy anao aho, ekeo ny fialan-tsiniko. Ary hoy koa ny iray: Efa nampaka-bady aho, koa noho izany dia tsy afaka mankany. Nony tonga ilay mpanompo dia nambarany tamin’ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nilaza tamin’ilay mpanompony hoe: Mandehana haingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna ka ampidiro ny mahantra sy ny kilemaina, ny jamba sy ny mandringa. Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa tanteraka izay nampanaovinao, nefa mbola tsy feno ihany ny trano. Dia hoy ny tompony tamin’ilay mpanompo: Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sisim-boly ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko. Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza. Nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesosy, dia nitodika Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ny vadiny sy ny zanany, ny rahalahiny sy ny anabaviny; eny, ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazofijaliana ka tsy manaraka Ahy dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. Fa iza moa aminareo, raha ta hanangana tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy na tsia? Fandrao, rehefa mametraka ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita ka hilaza hoe: Io olona io dia nanomboka nanorina trano fa tsy nahavita. Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na ho vitany na tsia, miaraka amin’ny olona iray alina, ny hifanandrina amin’ilay mitondra roa alina? Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka iray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana. Toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro. Tsara ny sira; fa raha ny sira no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ny olona. Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino. Nanatona hihaino Azy ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota. Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanoradalàna ka niteny hoe: Mandray ny mpanota Ilehio ka miara-misakafo aminy. Fa nilaza izao fanoharana izao tamin’izy ireo Izy hoe: Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato ka very ny iray no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-tany efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Rehefa hitany iny dia lanjainy eo an-tsorony ka faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy dia manasa ny namany sy ny mpiaramonina aminy ka milaza aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka mihoatra noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo izay tsy misy tokony hibebahany. Ary iza moa no vehivavy manana drakma folo ka very ny iray no tsy mampirehitra jiro ka mamafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany ilay izy dia mamory ny vehivavy namany sy ny mpiaramonina aminy izy ka miteny hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay drakma iray izay very. Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ireo anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka. Hoy Jesosy: Nisy olona iray nanana zanaka mirahalahy. Ary hoy ilay zandriny tamin’ny rainy: Raiko ô! Omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ny fiainana feno fanaranam-po amin’ny ratsy tany. Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, ka nisy mosary mafy tamin’izany faritra izany, dia nanomboka ho sahirana izy. Dia nandeha izy ka niankina tamin’ny tompon-tany iray tamin’izany faritra izany, ary nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. Satriny hamoky tena tamin’ny voankazo fihinan’ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy. Ary rehefa nody ny sainy dia hoy izy: Indrisy! Maro ny olona karamain’ny raiko manana sakafo be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! Hiainga aho dia hody any amin’ny raiko ka hiteny aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe: zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny iray amin’ny olona karamainao. Dia niainga izy ka nankany amin’ny rainy. Fa raha mbola lavitra izy dia tazan’ny rainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Ary hoy ilay zanany taminy: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony. Fa rainy kosa dia nilaza tamin’ny mpanompony hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny tanany ary kapa ny tongony; ento atỳ ny zanak’omby nafahy ka vonoy; ary aoka isika hisakafo sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty fa velona indray, ary efa very fa hita indray. Dia nanomboka niara-nifaly izy ireo. Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka nanakaiky ny trano dia nandre zavamaneno sy dihy. Dia niantso mpanompo iray izy ary nanontany azy izay anton’izany zavatra izany. Hoy ilay mpanompo taminy: Tonga ny rahalahinao ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao satria efa tafaverina soa amantsara ato aminy izy. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. Fa namaly ny rainy izy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho dia tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako; fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia novonoinao ho azy ny zanak’omby nafahy. Fa hoy rainy taminy: Anaka, ianao dia eto amiko mandrakariva ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo satria ity rahalahinao ity efa maty fa velona indray, ary efa very fa hita indray. Hoy koa Jesosy tamin’ny mpianatra: Nisy olona mpanankarena iray nanana mpitantana ny fananany; izy io dia nampangain’olona taminy ho mandany ny fananany. Dia nampiantso azy izy ka niteny taminy hoe: Inona izao reko momba anao izao? Manaova tatitra ny amin’ny fitantananao ny fananako; fa tsy mahazo mitantana ny fananako intsony ianao. Niteny anakampo ilay mpitantana ny fananana hoe: Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitantanana ny fananany aho? Ny miasa tany dia tsy tratry ny aiko, ny mangataka dia mahamenatra ahy. Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa esorina amin’ny fitantanana fananana aho. Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony izy hankao aminy ka nilaza tamin’ny voalohany hoe: Ohatrinona no trosan’ny tompoko aminao? Ary hoy izy: Diloilo injaton’ny bata. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha haingana, ka dimampolo no soraty. Dia hoy izy tamin’ny iray koa: Ohatrinona kosa no trosa aminao? Vary injaton’ny kora, hoy izy. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ka valopolo no soraty. Ary ny tompony dia nidera ilay mpitantana fananana tsy marina satria nampiseho hakingan-tsaina izy; fa ny zanak’izao tontolo izao dia kinga saina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava. Ary hoy Aho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina no hoentinareo mahazo namana, mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be. Koa raha tsy mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ny tena harena? Ary raha tsy mahatoky amin’izay an’olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny iray dia ho halany ary ny iray dia ho tiany; na ny iray dia hombany ary ny iray dia hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo. Ary ireo Fariseo izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izany, dia naneso an’i Jesosy. Dia hoy Jesosy taminy: Mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ianareo, nefa Andriamanitra mahafantatra ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra. Ny Lalàna sy ny Mpaminany dia hatramin’i Jaona; hatramin’izany no efa nitoriana ny Filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary miditra an-keriny izay rehetra miditra ao. Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ny Lalàna. Izay rehetra misao-bady ka mampakatra hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa. Nisy lehilahy mpanankarena iray niakanjo volomparasy sy lamba rongony fotsy manify sady nanaram-po fatratra isanandro tamin’ny fahafinaretana. Ary nisy mahantra ferena iray antsoina hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ny vavahadiny; izy dia naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena, nefa ny amboa kosa no avy ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra, dia noentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina; ary raha nijaly tao amin’ny fitoeran’ny maty izy ka niandrandra dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy i Lazarosy teo an-tratrany. Dia niantso izy hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko! Mba iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany amin’ny rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity. Fa hoy i Abrahama: Anaka, tsarovy fa efa nahazo ny zava-tsoanao ianao tamin’ny andro niainanao, ary i Lazarosy kosa dia ny zava-dratsy; fa ankehitriny dia izy no ampiononina atỳ ary ianao kosa no fadiranovana. Ary amin’izany rehetra izany, misy tevana lehibe manelanelana antsika mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te hiala etỳ ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny. Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: Mba iraho i Lazarosy hankany amin’ny tranon’ny raiko, fa manana rahalahy dimy aho, ka hilaza tsara amin’izy ireo mba tsy ho tonga atỳ amin’ity fijaliana ity koa izy. Fa hoy i Abrahama taminy: Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino azy ireo izy! Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy avy amin’ny maty hankany aminy dia hibebaka izy. Fa hoy i Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy dia tsy hety hino izy na dia misy mitsangana amin’ny maty aza. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’izay olona mahatonga izany! Aleo anantonana vato fikosoham-bary ny vozony ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hanafintohina na dia ny iray aza amin’ireo madinika ireo. Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao dia teneno mafy izy, koa raha mibebaka izy dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito ao anatin’ny indray andro izy, ary mifona aminao impito kosa hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. Hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia ohatry ny voantsinapy iray aza ianareo dia azonareo lazaina amin’io voaroihazo io hoe: Miongota, ary maniria any anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. Iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, koa raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo dia hiteny aminy hoe: Avia haingana ka mipetraha hisakafo? Fa tsy hilaza aminy kosa va izy hoe: Karakarao ny sakafoko ary misikìna ka rosoy sakafo aho, ambara-pitsahatro mihinana sy misotro; fa rehefa vita izany dia izay vao mahazo mihinana sy misotro ianao? Moa misaotra izany mpanompo izany va izy satria nataony izay nampanaoviny? Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nampanaovina anareo, dia mitenena hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; izay tokony ho nataonay ihany no efa nataonay. Rehefa nandeha ho any Jerosalema Jesosy dia nandalo tao anelanelan’i Samaria sy i Galilia. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra iray Izy dia nisy boka folo lahy nifanena Taminy, izay nijanona lavitra Azy. Ary niantso mafy izy ireo hoe: Ry Jesosy Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay! Raha nahita ireo Izy dia niteny hoe: Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona. Rehefa lasa izy ireo dia nadio teny am-pandehanana. Ary ny iray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana ny tenany, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery sady niankohoka teo amin’ny tongotr’i Jesosy ka nisaotra Azy; izy io dia Samaritana. Dia hoy Jesosy: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? Fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao. Nony nanontanian’ireo Fariseo izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra Jesosy dia namaly azy Izy hoe: Tsy misehoseho no fiavin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona dia tsy hiteny hoe: Indro, etỳ! Na, erỳ! Fa indro ny fanjakan’Andriamanitra dia ao aminareo. Hoy Izy tamin’ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny iray amin’ireo Andron’ny Zanak’Olona nefa tsy hahita ianareo. Ary hilaza aminareo ny olona hoe: Indro, erỳ! Na: Indro, etỳ! Nefa aza mandeha ianareo na manaraka azy. Fa tahaka ny tselatra manelatra hatramin’ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ny farany koa dia ho toy izany ny Zanak’Olona amin’ny androny. Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha sady holavin’ity taranaka ity. Tahaka ny tamin’ny andron’i Noa dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona: Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady, navoaka hampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra. Tahaka ny tamin’ny andron’i Lota koa: Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly, nanangana trano; fa tamin’ny andro izay nialan’i Lota avy tao Sodoma dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hampisehoana ny Zanak’Olona. Amin’izany andro izany, izay eo an-tampon-trano ka ao an-trano ny entany, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’izay efa nilaozany. Tsarovy ny vadin’i Lota. Na zovy na zovy mitady hiaro ny ainy dia hahavery azy ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahatana izany. Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany dia hisy roa lahy miray fandriana; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela, Hisy roa lahy any an-tsaha; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Dia nanontany Azy izy ireo hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ny faty dia any koa no hiangonan’ny voromahery. Ary nilaza fanoharana tamin’izy ireo Jesosy, ny amin’ny tokony hivavahany mandrakariva ka tsy ho reraka, dia hoy Izy: Nisy mpitsara tao an-tanàna iray, izay tsy natahotra an’Andriamanitra sady tsy niraharaha olona. Ary nisy mpitondratena iray tao amin’izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka niteny hoe: Omeo rariny aho eo anoloan’ilay manana ady amiko. Tsy nanaiky ilay mpitsara aloha; fa taorianan’izany dia niteny anakampo izy hoe: Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sady tsy miraharaha olona mba homeko rariny ihany io mpitondratena io fa manahirana ahy, mba tsy ho avy hanorisory ahy tsy misy farany izy. Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ilay mpitsara tsy marina. Fa Andriamanitra va tsy hanome rariny ireo olom-boafidiny izay mitaraina Aminy andro aman’alina, ary moa hampiandry azy ireo ela va Izy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’Olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy? Nilaza ity fanoharana ity tamin’ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa Jesosy: Nisy roa lahy niakatra tao amin’ny tempoly mba hivavaka; Fariseo ny iray ary mpamory hetra ny iray. Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny ampahafolony amin’izay azoko rehetra aho. Fa ilay mpamory hetra kosa dia nijanona teny lavitra eny sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory fa niteha-tratra ka niteny hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota! Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany rehefa nody tany an-tranony dia efa nohamarinina, fa tsy mba toy izany ilay iray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry ary izay rehetra manetry tena no hasandratra. Nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’i Jesosy mba hokasihiny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra dia nandrara azy ireo. Nefa nasain’i Jesosy noentina teo Aminy ireo ary hoy Izy hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy velively. Nisy manampahefana iray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay? Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no lazainao fa tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra. Fantatrao ny didy hoe: «Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-16). Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: Amidio ny fanananao rehetra ka zarao ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. Ary rehefa nandre izany Ralehilahy dia nalahelo tokoa; tena nanankarena mantsy izy. Raha nahita azy nalahelo fatratra Jesosy dia niteny hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Ary izay nandre dia niteny hoe: Iza indray ary no ho azo vonjena? Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra. Dia hoy i Petera: Indro izahay, efa nahafoy ny fanananay ka nanaraka Anao. Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano na vady na rahalahy na ray na reny na zanaka, noho ny fanjakan’Andriamanitra, ka tsy handray be lavitra noho izany amin’izao andro ankehitriny izao, ary amin’ny fotoana ho avy dia fiainana mandrakizay. Naka ny roa amby folo lahy Jesosy ka niteny taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ny Zanak’Olona. Fa hatolotra ho amin’ny Jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ny andro fahatelo dia hitsangana Izy. Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany sady tsy fantany izay nolazainy satria nafenina taminy izany. Raha nanakaiky an’i Jeriko Jesosy dia indro jamba iray, nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Raha nandre ny vahoaka mandalo izy dia nanontany hoe: Inona izany? Dia hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo. Dia niantso mafy Ralehilahy hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko! Ireo izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko. Dia nijanona Jesosy ka nasainy noentina teo aminy Ralehilahy; ary rehefa nanatona Azy izy dia nanontany azy Jesosy hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hahitako indray. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka ianao hahita indray! Ny finoanao no efa nahavonjy anao. Ary niaraka tamin’izay dia nahita izy ka nanaraka an’i Jesosy sady nankalaza an’Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita izany, dia nidera an’Andriamanitra. Rehefa tafiditra tao Jeriko Jesosy dia nandeha namakivaky ny tanàna. Ary indro, nisy lehilahy iray antsoina hoe Zakaiosy izay lehiben’ny mpamory hetra sady mpanankarena. Nitady hahita izy hoe iza moa Jesosy, kanefa tsy afaka noho ny vahoaka satria fohy izy. Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika tamin’ny aviavy iray mba hahatazanany an’i Jesosy; fa efa handalo tamin’izany lalana izany Izy. Rehefa tonga teo Jesosy dia niandrandra ka niteny taminy hoe: Ry Zakaiosy, midìna haingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio. Dia nidina haingana izy ka nampiantrano Azy sady faly. Ary raha nahita izany ny rehetra dia nimonomonona ka niteny hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’izay lehilahy mpanota Izy. Fa i Zakaiosy kosa dia nitsangana ka niteny tamin’ny Tompo hoe: Indro Tompoko, ny antsasaky ny fananako, omeko ho an’ny mahantra; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana dia honerako avo efatra heny izany. Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa. Fa efa tonga ny Zanak’Olona hitady sy hamonjy ny very. Raha mbola nihaino izany ny olona dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nilaza fanoharana, satria efa akaiky an’i Jerosalema Izy ka noheverin’ny olona fa hiseho haingana ny fanjakan’Andriamanitra. Dia hoy Izy: Nisy olona ambony iray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ary nanome azy mina folo ka niteny taminy hoe: Manaova varotra mandra-piaviko. Fa nankahala azy ny vahoakany, dia nampitondra teny nanaraka azy nilaza hoe: Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay. Nony tafaverina avy nandray fahefana hanjaka izy dia nasainy nantsoina hankeo aminy ireo mpanompo izay nomeny izany vola izany mba hahafantarany izay tombony azony. Dia tonga ny voalohany ka niteny hoe: Tompoko, ny mina iray taminao dia efa nahazoana tombony mina folo. Dia hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ny kely indrindra ianao dia manàna fahefana amin’ny tanàna folo. Tonga koa ny iray ka nilaza hoe: Tompoko, ny mina iray taminao dia efa tonga mina dimy. Ary hoy koa izy tamin’io: Mifeheza tanàna dimy koa ianao. Fa tonga kosa ny iray ka niteny hoe: Tompoko, inty ny mina taminao, izay notahiriziko voafono tapa-damba. Fa natahotra anao aho satria olona mila voa tsy ary ianao ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao. Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa izaho dia olona mila voa tsy ary ka maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko; koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ny mpampanjanaka vola ny volako, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zanany? Ary hoy izy tamin’ireo izay nitsangana teo anilany: Alaivo ny mina eny aminy ka omeo ilay manana mina folo. Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana mina folo izy. Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy. Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako. Rehefa niteny izany Izy dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema. Raha nanakaiky an’i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianatra ka niteny hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento atỳ. Raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahànareo io? Dia izao no holazainareo: Misy raharaha ilàn’ny Tompo azy. Nony nandeha ireo nirahina dia nahita araka izay nolazainy taminy. Rehefa namaha ny zana-boriky izy dia hoy ireo tompony taminy: Nahoana no vahànareo ny zana-boriky? Dia hoy ireo: Misy ilàn’ny Tompo azy. Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy ireo ary nametraka ny lambany teo ambonin’ny zana-boriky ka nampitaingeniny azy Jesosy. Ary raha nandroso Jesosy dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy ireo. Rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ny tendrombohitra Oliva dia faly avokoa ny mpianatra marobe ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany ka niteny hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Ilay avy amin’ny anaran’NY TOMPO. Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra! Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ny vahoaka, dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao! Fa Izy namaly hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo dia ny vato no hiantsoantso. Raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna dia nitomany azy ka niteny hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao, na anio ihany aza, ny amin’izay momba ny fiadanana! Nefa ankehitriny, nafenina tamin’ny masonao izany. Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hihodidina aminao izy ka hanery anao avy amin’ny lafiny rehetra ary hamongotra anao sy ny zanakao ao aminao izy ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ny tsy nahafantaranao ny fotoana namangiana anao. Ary niditra teo amin’ny tempoly Jesosy dia nandroaka izay nivarotra ka niteny taminy hoe: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia nampiasa azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11). Ary nampianatra isanandro teo amin’ny tempoly Izy. Fa ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona dia nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan’izy ireo izay hatao satria ny vahoaka rehetra dia liana nihaino Azy. Indray andro, raha nampianatra ny olona teo amin’ny tempoly Jesosy ka nitory ny Filazantsara, dia nanatona ireo lehiben’ny mpisorona sy mpanoradalàna ary ny loholona ka niteny Taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany? Dia namaly azy ireo Jesosy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, koa lazao amiko: Ny batisan’i Jaona avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Dia nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha holazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo? Fa raha holazaintsika kosa hoe: Avy tamin’ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra satria inoany ho mpaminany i Jaona. Dia namaly ireo fa tsy fantany izay niaviany. Ary hoy Jesosy tamin’izy ireo: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ny olona Izy: Nisy olona iray namboly tamin’ny tanim-boaloboka, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka nandeha nitoetra ela tany an-tany lavitra izy. Rehefa tonga ny fotoanan’ny vokatra dia naniraka mpanompo hankany amin’ireo mpiasa tany izy mba handray amin’ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa nikapoka azy ireo mpiasa tany ka nampandeha azy tanam-polo. Dia naniraka mpanompo iray koa izy, izay nokapohin’ireo mafy koa sady nalany baraka ka nampandehaniny tanam-polo. Dia naniraka fanintelony izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny. Dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy ireo. Fa raha nahita azy ireo mpiasa tany dia nikaon-doha ka niteny hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io mba ho antsika ny lova. Dia namoaka azy tany ivelan’ny tanim-boaloboka izy ireo ka namono azy. Hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka ahoana moa izy ireo amin’izany? Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo mpisorona sy mpanoradalàna ary loholona dia niteny hoe: Sanatria izany! Fa Jesosy nijery azy ireo ka niteny hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no efa tonga fehizoro» (Sal 118.22)? Izay rehetra potraka amin’izany vato izany dia ho torotoro; ary na iza na iza no ianjerany dia ho montsamontsana. Ary tamin’izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanoradalàna sy ny lehiben’ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy ireo satria fantany fa ho azy ireo no nilazany izany fanoharana izany. Nanara-maso an’i Jesosy izy ireo ka naniraka mpitsikilo, izay mody niseho ho marina, mba hamandrika Azy amin’ny teniny ka hanolorany Azy ho amin’ny hery sy ny fahefan’ny governora. Ary nanontany Azy izy ireo hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Ianao ka tsy mizaha tavan’olona, fa mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra: Mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay sa tsia? Fa Jesosy nahafantatra ny teti-dratsiny ka niteny taminy hoe: Mampisehoa denaria iray Amiko. An’iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ny olona izany teny izany, sady gaga izy ireo noho ny famaliny ka nangina. Ary ny sasany tamin’ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy ny fitsanganan’ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, i Mosesy dia nanoratra ho antsika hoe: «Raha misy manana rahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dRavehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny» (Deo 25.5). Koa nisy fito mirahalahy; ary nampaka-bady ny zokiny dia maty momba. Ny faharoa sy ny fahatelo koa dia nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy. Ary farany dia maty koa Ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ho vadin’iza moa Ravehivavy? Fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy. Ary hoy Jesosy taminy: Ny zanak’izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; fa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina; ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ny anjely sady zanak’Andriamanitra satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty. Ary i Mosesy aza dia nanambara teo amin’ilay teny milaza ny roimemy fa hatsangana ny maty, raha niantso NY TOMPO hoe: «Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6). Fa tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra. Ary hoy ny mpanoradalàna sasany: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao. Fa tsy nisy sahy nanontany Azy na inona na inona intsony ireo. Hoy Jesosy tamin’ireo: Nahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’i Davida? Nefa i Davida ihany no milaza eo amin’ny bokin’ny Salamo hoe: «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ny tongotrao» (Sal 110.1). Miantso Azy hoe: Tompo izany i Davida; koa ahoana no maha Zanany Azy? Raha mbola nihaino ny olona rehetra dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Mitandrema ianareo amin’ny mpanoradalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te hoarahabain’ny olona eny an-tsena sady tia ny toerana eny aloha ao amin’ny sinagoga sy ny toerana aloha any amin’ny fanasana, ary mandany ny tranon’ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany; ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa. Nanopy ny masony Jesosy ka nahita ny mpanankarena nandrotsaka rakitra tao amin’ny fandatsahan-drakitra; ary nahita mpitondratena mahantra iray koa Izy izay nandrotsaka lepta roa tao. Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be noho izy rehetra. Fa ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananany no nandrotsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandrotsahany ny fivelomany rehetra izay nananany. Nisy nilaza fa voaravaka vato tsara sy fanatitra ny tempoly; fa hoy Jesosy: Ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo dia ho avy ny andro, koa tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. Ary nanontany Azy izy ireo hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? Ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany? Dia hoy Izy: Mitandrema fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ny anarako sady hilaza hoe: Izaho no Izy, ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. Raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola miaraka amin’izay akory ny farany. Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe sy mosary ary areti-mandringana any amin’ny tany samihafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. Raha tsy mbola tonga izany rehetra izany dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny sinagoga sy any an-tranomaizina ka hoentina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny manampahefana ianareo noho ny anarako. Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra mialoha izay ho fiarovan-tenanareo; fa Izaho no hanome anareo teny sy fahendrena izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra toherina na valìna. Hatolotry ny ray sy ny reny, ny rahalahy sy ny havana aman-tsakaiza koa aza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza. Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo. Rehefa mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila ianareo dia aoka ho fantatrareo fa efa manakaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany, aoka handositra ho any an-tendrombohitra; izay ao Jerosalema, aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha, aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. Fa loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity. Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka hoentina ho babon’ny firenena rehetra, ary hohitsahin’ny Jentilisa i Jerosalema mandra-pahatanteraka ny andron’ny Jentilisa. Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hitebiteby ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, koa ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ireo herin’ny lanitra dia hohozongozonina. Amin’izany dia hahita ny Zanak’Olona tonga eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. Ary nilaza fanoharana tamin’izy ireo Izy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao mitsiry ny rantsany dia fantatrareo ihany fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko dia tsy mba ho levona. Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka ho afa-mandositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Olona. Nony antoandro dia nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; ary nony alina dia niala tao izy ka nitoetra teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva. Ary ny vahoaka rehetra dia tonga vao maraina teo Aminy, tao amin’ny tempoly, mba hihaino Azy. Efa akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay atao hoe Paska. Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna dia nitady izay hamonoany an’i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy ireo. Fa i Satana dia niditra tao anatin’i Jodasy, ilay atao hoe iskariota, iray tamin’ny roa amby folo lahy, ka nankao amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina izy ary niresaka taminy ny amin’izay hanolorany an’i Jesosy amin’ireo. Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy. Ary nanaiky izy ka nitady izay fotoana azony hanolorana Azy amin’ireo, tsy ho fantatry ny olona. Tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. Ary Jesosy naniraka an’i Petera sy i Jaona ka niteny hoe: Mandehana, manomana ny Paska hohanintsika. Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanomananay azy? Dia hoy Izy tamin’izy ireo: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ny trano izay hidirany. Dia lazao amin’ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro? Ary hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana, izay efa misy izay ilaina rehetra izy; any no ataovy ny fanomanana. Dia nandeha izy ireo ka nahita araka izay efa nolazainy taminy, ary nanomana ny Paska izy ireo. Nony tonga ny fotoana dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly. Ary hoy Izy taminy: Naniry koa Aho raha naniry hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka hoy Izy: Raiso ity ka zarao aminareo; fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra. Dia nandray mofo Izy, koa rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako izay aidina ho anareo. Fa indro ny tanan’izay mamadika Ahy dia eto Amiko eto ambonin’ny latabatra. Fa ny Zanak’Olona dia mandeha tokoa, araka izay efa voatendry; nefa lozan’izay olona nahatonga Azy ho voatolotra! Ary nifanontany ny amin’izay iray eo aminy mety hahavita izany izy ireo. Nisy fifandirana koa teo amin’ny mpianatra ny amin’izay iray amin’izy ireo hatao ho lehibe indrindra. Dia hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ny Jentilisa dia mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe indrindra aminareo dia aoka ho toy ny zandriny indrindra; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka misakafo va sa izay manompo? Tsy izay mipetraka misakafo va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra Tamiko; koa Izaho dia manendry anareo, tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy ny fanjakana, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny fokon’ny Israely roa amby folo. Hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro i Satana efa nitaky anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao. Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na dia ho any an-tranomaizina aza, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza. Nefa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio dia handa intelo ho tsy mahafantatra Ahy ianao. Hoy koa Izy tamin’izy ireo: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy. Fa hoy Izy taminy: Amin’izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka izy hitondra; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa dia aoka izy hivarotra ny lambany ka hividy. Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka Amiko izao voasoratra izao hoe: «Ary natao ho isan’ny mpanota Izy» (Isa 53.12); fa efa ho tanteraka ny Amiko. Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Ampy izay. Dia niala teo Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankany an-tendrombohitra Oliva Izy, ary nanaraka Azy koa ny mpianatra. Ary raha vao tonga tao amin’izany toerana izany Izy dia niteny taminy hoe: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Ary nihataka tokony ho indray mitora-bato tamin’izy ireo Izy, dia nandohalika ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha sitrakao dia esory Amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao. Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho Taminy ka nampahery Azy. Ary fadiranovana Izy ka nivavaka mafimafy kokoa; koa ny hatsembohany dia tahaka ny vaingan-dra nitete tamin’ny tany. Nony nitsangana avy nivavaka Izy dia nankeo amin’ny mpianatra ka nahita azy ireo resin-tory noho ny alahelo. Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna ka mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ny roa amby folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’i Jesosy mba hanoroka Azy. Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no anoloranao ny Zanak’Olona? Ary izay teo Aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia niteny hoe: Tompoko, hamely amin’ny sabatra va izahay? Ny iray teo aminy dia namely ny mpanompon’ny Mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny havanana. Fa Jesosy namaly hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nikasika ny sofiny Izy ka nanasitrana azy. Ary hoy Jesosy tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ireo loholona izay tonga hisambotra Azy: Tonga mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Raha teo aminareo isanandro teo amin’ny tempoly Aho dia tsy nanatsotra tanana Tamiko ianareo; fa izao no fotoananareo sy ny herin’ny maizina. Dia nisambotra an’i Jesosy izy ireo ka nitondra Azy ho ao an-tranon’ny Mpisoronabe. Ary i Petera dia nanaraka teny lavidavitra teny. Raha nandrehitra afo teo an-kianja ireo ka nipetraka dia mba nipetraka teo aminy koa i Petera. Ary ny mpanompovavy iray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ny hazavana, dia nandinika azy ka niteny hoe: Ity koa niaraka Taminy. Fa nandà izy ka niteny hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy. Vetivety foana taorianan’izay dia nisy olona hafa koa nahita azy ka niteny hoe: Ianao koa mba naman’ireny. Fa hoy i Petera: Ralehilahy, tsy izy aho. Rehefa tokony ho ora iray no lasa dia nisy olona iray koa nanizingizina hoe: Izy io dia niaraka Taminy marina tokoa fa Galiliana izy. Fa hoy i Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno. Ary nitodika ny Tompo dia nibanjina an’i Petera. Ary nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo taminy i Petera hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio dia handa Ahy intelo ianao. Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany mafy tokoa. Ary ireo lehilahy izay nitana an’i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy. Rehefa notampenan’izy ireo ny masony dia nanontaniany hoe: Maminania; iza moa no nikapoka Anao? Teny ratsy maro hafa koa no nataony hanaratsiany Azy. Raha vao nazava ny andro dia nivory ny filankevitry ny loholona dia ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ka nitondra an’i Jesosy ho eo amin’ny Sinedrionany ary niteny hoe: Raha Ianao no Kristy dia lazao aminay. Dia hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho dia tsy hino ianareo. Ary na dia hanontany aza Aho dia tsy hamaly akory ianareo. Fa hatramin’izao ny Zanak’Olona dia hipetraka eo ankavanan’ny herin’Andriamanitra. Hoy izy rehetra: Zanak’Andriamanitra ary va Ianao? Dia hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy. Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilàntsika vavolombelona? Fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ny vavany. Ary nitsangana ny olona rehetra ka nitondra an’i Jesosy tany amin’i Pilato. Dia nanomboka niampanga Azy izy ireo hoe: Izy ity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ary nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka. Ary nanontany Azy i Pilato hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Dia namaly azy Izy hoe: Voalazanao. Hoy i Pilato tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity. Fa vao mainka nanizingizina ireo hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra manerana an’i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ. Raha nandre izany i Pilato dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy. Rehefa fantany fa avy tamin’ny tany tapahin’i Heroda Izy dia nampanateriny tany aminy, fa tany Jerosalema koa i Heroda tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Heroda raha nahita an’i Jesosy; fa efa ela no naniriany hahita Azy satria efa nandre ny Aminy sy nanantena hahita Azy hanao famantarana izy. Nametraka fanontaniana maro Taminy izy; nefa tsy namaly teny azy akory Jesosy. Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna nijanona teo dia nitompo teny fantatra hiampanga Azy. Ary namingavinga Azy i Heroda sy ny miaramilany ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo marevaka ka namerina Azy tany amin’i Pilato. Ary nanjary mpinamana i Heroda sy i Pilato tamin’izany andro izany; kanefa nifankahala izy roa lahy taloha. Rehefa nasain’i Pilato novorina ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo manampahefana ary ny vahoaka dia hoy izy tamin’izy ireo: Noentinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity fa hoe nampiodina ny vahoaka; ary indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity amin’izay iampanganareo Azy; na dia i Heroda koa aza dia tsy nahita, fa namerina Azy ho atỳ amintsika izy; ary indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy; koa hofaiziko Izy dia halefako. Fa tsy maintsy manafaka olona iray ho an’ny vahoaka izy amin’ny andro firavoravoana. Fa izy rehetra dia niantso mafy indray miredona hoe: Vonoy Io ka i Barabasy no alefaso ho anay! Io Barabasy io dia natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana tao an-tanàna sy noho ny vonoan’olona. Ary satria tian’i Pilato hafahana Jesosy dia nifandahatra tamin’ireo indray izy. Fa ny olona kosa dia niantsoantso hoe: Homboy, homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Dia niteny tamin’izy ireo fanintelony izy hoe: Inona ary no ratsy nataony? Tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy; koa hofaiziko Izy dia halefako. Fa mbola niantsoantso tamin’ny feo mahery ihany ny olona ka nangataka ny hanomboana an’i Jesosy amin’ny hazofijaliana. Ary nihanahery ny feon’ny olona. Dia nanapa-kevitra hanaiky izay nangatahin’izy ireo i Pilato. Koa nanafaka ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan’olona izy satria io no nangatahin’ny olona; fa Jesosy kosa natolony araka ny sitrapon’ireo. Raha nitondra an’i Jesosy izy ireo dia nisambotra lehilahy kireniana iray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra azy ny hazofijaliana tao aorianan’i Jesosy. Dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary nisy koa vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. Fa Jesosy nitodika tamin’izy ireo ka niteny hoe: Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. Fa indro, ho avy ny andro izay hilazana hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy nitoeran-jaza ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza. Dia hilaza amin’ny tendrombohitra ny olona hoe: «Mianjerà aminay; ary amin’ny havoana hoe: Saròny izahay» (Hos 10.8). Fa raha ataony amin’ny hazo maitso izao, inona no hanjo ny hazo maina? Ary nisy koa olon-dratsy roa lahy noentina hiaraka hovonoina Aminy. Rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha izy ireo dia teo no nanomboany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny iray dia teo ankavanany ary ny iray dia teo ankaviany. Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany antsapaka no fizara ny fitafiany. Nijanona teo ny olona ka nijery. Ireo loholona koa dia nandatsa hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, dia Ilay voafidy. Ary nihomehy Azy koa ny miaramila, dia nanatona ka nanome Azy vinaingitra sady niteny hoe: Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao. Ary nisy soratra koa teo amboniny hoe: ity no mpanjakan’ny jiosy. Ny iray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo dia niteny ratsy Azy hoe: Tsy Ianao va no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay. Fa niteny kosa ilay iray sady nananatra ny namany hoe: Moa tsy mba matahotra an’Andriamanitra va ianao na dia ianao voaheloka izao koa aza? Marina ny anamelohana antsika satria mandray ny valin’ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa, tsy mba nanao ratsy na dia kely akory aza. Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa tonga any amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hiarahanao Amiko any Paradisa. Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina dia nisy haizina nandrakotra ny tany manontolo ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba tao amin’ny tempoly. Dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: «Ray ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko» (Sal 31.5); rehefa niteny izany Izy dia afaka ny ainy. Raha nahita izay zava-nitranga teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tena olona marina tokoa io Lehilahy io. Ary ny vahoaka rehetra dia niara-nirohotra mba hijery izay niseho, ary raha nahita ny zava-nitranga ireo dia niverina sady niteha-tratra. Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia kosa dia nijanona teny lavidavitra teny nijery izany zavatra izany. Ary indro, nisy lehilahy antsoina hoe Josefa, izay isan’ny mpanolotsaina tao amin’ny Sinedriona, lehilahy tsara fanahy sady marina. Izany lehilahy izany dia tsy mba nanaiky ny hevitra sy ny zavatra nataon’ny sasany; avy tany Arimatia tanànan’ny Jiosy izy sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra. Nankao amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy. Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba hariry madinika, dia naleviny tao amin’ny fasana voalavaka tao amin’ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona. Andro fiomanana izany andro izany, fa efa antomotra ny Sabata. Ary ny vehivavy, izay niaraka Taminy hatrany Galilia, dia nanaraka tao aoriana ka nahita ny fasana sy izay fomba nametrahany ny faty. Ary niverina ireo ka nanomana zavamanitra sy menaka manitra. Ary tamin’ny Sabata dia nitsahatra ihany izy ireo araka ny lalàna. Vao maraina be, tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana izy ireo nitondra ny zavamanitra izay efa nomaniny. Ary hitany fa indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana. Dia niditra izy ireo, nefa tsy nahita ny fatin’i Jesosy Tompo. Raha mbola very hevitra tamin’izany izy ireo, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana mamirapiratra. Raiki-tahotra izy ireo dia niankohoka, koa hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona? Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nolazainy taminareo, fony Izy mbola tany Galilia hoe: Ny Zanak’Olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo. Dia tsaroan’izy ireo ny teniny. Ary niverina niala tamin’ny fasana izy dia nilaza izany rehetra izany tamin’ny iraika amby folo lahy sy ny namany rehetra. Teo i Maria Magdalena sy i Johana ary i Maria, renin’i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ireo koa dia nilaza izany tamin’ny Apostoly. Nefa noheverin’ireo ho arirarira ihany izany teny izany ka tsy ninoany. Fa nitsangana i Petera dia nihazakazaka nankany amin’ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay nitranga teo. Indreo, nisy roa lahy tamin’izy ireo nandeha tamin’izany andro izany hankany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stadio avy eo Jerosalema. Dia niresaka ny amin’izay zava-nitranga rehetra izy. Ary raha mbola niresaka sy niady hevitra izy ireo dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy. Nefa nosakanana ny mason’ireo mba tsy hahafantarany Azy. Ary hoy Izy taminy: Inona izany resahinareo etỳ am-pandehanana izany? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. Ary ny iray, izay atao hoe Kleopasy, dia namaly hoe: Ianao irery va no vahiny mitoetra ao Jerosalema izay tsy mba mahalala ny zava-nitranga tao, amin’izao andro izao? Fa hoy Izy taminy: Zavatra inona moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty sy ny nanomboany Azy tamin’ny hazofijaliana. Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Israely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo taorianan’ny nitrangan’izany. Nefa koa ny vehivavy sasany namanay dia nahavery hevitra anay, fa tany amin’ny fasana vao maraina be izy ireo ka tsy nahita ny faty, dia tonga ka nilaza fa nahita anjely niseho, izay nilaza fa velona Izy. Dia nandeha nankany amin’ny fasana ny sasany izay miaraka aminay, ary nahita araka izay nolazain’ny vehivavy; nefa tsy hitany Izy. Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny? Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra. Rehefa akaiky ny vohitra izay halehan’izy roa lahy, Jesosy kosa, dia toa nikasa handeha lavitra kokoa. Fa izy roa lahy dia nanery Azy hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao amin’izy ireo Izy. Rehefa nipetraka hisakafo niaraka taminy Izy dia nandray ny mofo ka nisaotra sy namaky izany ary nanome azy ireo. Dia nahiratra ny mason’ireo ka nahafantatra Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany. Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika? Dia niainga tamin’izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika amby folo lahy mbamin’izay niaraka taminy tafangona teo sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’i Simona. Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Raha mbola nilaza izany izy ireo dia nitsangana teo afovoany Jesosy ka niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo. Dia taitra sady raiki-tahotra izy ireo satria nihevitra ho nahita matoatoa. Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? Ary nahoana no tonga ao am-ponareo ny fisalasalana? Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho ka jereo, fa ny matoatoa dia tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao. Rehefa niteny izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona dia hoy Jesosy taminy: Manana zavatra azo hanina va ianareo atỳ? Dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono sy tantely Izy. Dia noraisiny izany ka nohaniny teo anatrehan’ireo. Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay efa voalazako taminareo, fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. Ary hoy Izy taminy: Toy izao no voasoratra: Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo; ary hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Ianareo no vavolombelon’izany. Ary indro Aho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-pahavoatafy hery anareo avy any amin’ny avo. Ary nitondra azy ireo hatrany Betania Jesosy, dia nanandratra ny tanany ka nitsodrano azy. Raha mbola nitsodrano azy Izy dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. Ary nitsaoka Azy izy ireo, dia niverina ho any Jerosalema tamin’ny hafaliam-be. Ary tao amin’ny tempoly isanandro izy ireo ka nankalaza an’Andriamanitra. Tamin’ny voalohany ny Teny ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra; ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza. Tao Aminy ny fiainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina, fa ny maizina dia tsy nandray azy. Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany. Tonga mba ho vavolombelona hanambara ny mazava izy, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Ilay mazava, fa tonga mba ho vavolombelona hanambara ny mazava ihany izy. Ny Teny no tena mazava izay mahazava ny olona rehetra; tonga eto amin’izao tontolo izao Izy. Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy dia tsy nandray Azy; fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na ny sitrapon’ny olona fa naterak’Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina teto amintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray sady feno fahasoavana sy fahamarinana. Vavolombelona nanambara Azy i Jaona ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aorianako dia efa tonga eo alohako satria talohako Izy. Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana miampy fahasoavana; fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka Lahitokana, izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Izao no fanambaràna nataon’i Jaona, raha naniraka mpisorona sy levita avy tany Jerosalema hankany aminy ny Jiosy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao? Ary nilaza marina izy fa tsy nandà, ary hoy ny filazany: Tsy izaho no Kristy. Ary nanontany azy izy ireo hoe: Ahoana ary? I Elia va ianao? Dia hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa hoy izy hoe: Tsia. Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay? Lazainao ho iza moa ny tenanao? Dia hoy izy: «Izaho dia feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’NY TOMPO» (Isa 40.3), araka izay nolazain’Isaia mpaminany. Ary iraka avy tamin’ny Fariseo ireo. Dia nanontany an’i Jaona indray ireo hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy na i Elia na ilay Mpaminany? Namaly azy ireo i Jaona hoe: Izaho dia manao batisa amin’ny rano; fa eto aminareo misy Iray izay tsy fantatrareo, dia ilay avy ao aorianako, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. Izany zavatra izany dia tany Betania any andafin’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa. Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy i Jaona ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! Izy ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy tonga avy ao aorianako izay efa tonga eo alohako satria talohako Izy. Ary tsy nahalala Azy aho; fa mba hanehoana Azy amin’ny Israely dia izany no niaviako manao batisa amin’ny rano. Ary i Jaona no vavolombelona nanambara hoe: Izaho dia nahita ny Fanahy nidina avy tany an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. Ary tsy nahalala Azy aho; fa izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina. Ary nahita aho ka mijoro ho vavolombelona fa Izy no Zanak’Andriamanitra. Nony ampitson’iny i Jaona dia mbola teo ihany niaraka tamin’ny mpianany roa lahy; ary nahita an’i Jesosy nitsangantsangana izy ka niteny hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra! Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’i Jesosy. Nony nitodika Jesosy ka nahita azy ireo manaraka, dia niteny taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy Taminy: Raby, izany hoe, Mpampianatra ô, aiza Ianao no mitoetra? Dia hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo Aminy tamin’izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’izay. I Andrea, rahalahin’i Simona Petera, no iray tamin’izy roa lahy, izay nandre ny tenin’i Jaona ka nanaraka an’i Jesosy. Ary izy no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia, izany hoe ny Kristy, izahay. Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Nony nibanjina azy Jesosy dia niteny hoe: Ianao no Simona, zanak’i Jaona; ianao dia hantsoina koa hoe Kefasy, izany hoe Petera. Nony ampitso dia te hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’i Filipo Izy ka niteny taminy hoe: Manaraha Ahy. Ary i Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’i Andrea sy i Petera. I Filipo kosa raha nahita an’i Natanaela dia niteny taminy hoe: Efa hitanay ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny Lalàna sady nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’i Josefa, avy any Nazareta. Ary hoy i Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa toy izany va avy any Nazareta? Dia hoy i Filipo taminy: Andeha hizaha. Nony nahita an’i Natanaela nanatona Azy Jesosy dia nilaza ny momba azy hoe: Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka. Hoy i Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly azy Jesosy hoe: Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao dia efa hitako teo ambanin’ny aviavy ianao. Dia hoy i Natanaela: Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’ny Israely. Hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao. Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’Olona. Tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’i Jesosy. Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nasaina ho ao amin’izany fampakaram-bady izany. Ary rehefa lany ny divay dia hoy ny renin’i Jesosy Taminy: Tsy manana divay izy. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? Tsy mbola tonga ny fotoanandroko. Fa hoy ny reniny tamin’ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, nipetraka teo ho fanadiovana, araka ny fanaon’ny Jiosy. Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’izao ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana. Dia noentiny izany. Nony nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay niaviany, fa ny mpanompo izay nanovo ny rano ihany no nahalala izany, dia niantso ny mpampakatra izy ka niteny taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara aloha no arosony; fa rehefa mitady ho mamo ny olona dia izay vao ny ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana. Nasehony ny voninahiny, ary nino Azy ny mpianany. Rehefa afaka izany dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy sy ny reniny ary ny rahalahiny mbamin’ny mpianany; nefa tsy dia nitoetra ela tany izy ireo. Nony akaiky ny Paska an’ny Jiosy dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. Ary hitany nipetraka tao amin’ny tempoly ireo mpivarotra omby sy ondry ary voromailala, tao koa ireo mpanakalo vola; dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala tao amin’ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary naparitany ny volan’ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabatra; dia hoy Izy tamin’ny mpivarotra ny voromailala: Ento mivoaka any ireto zavatra ireto; aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko. Ary tsaroan’ny mpianany fa voasoratra hoe: «Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy» (Sal 69.9). Fa hoy ny Jiosy Taminy: Inona no famantarana asehonao aminay no manao izao zavatra izao Ianao? Jesosy namaly azy ireo hoe: Ravao ity tempoly ity, fa ao anatin’ny hateloana dia hatsangako indray. Nefa hoy ny Jiosy: Nandritra ny enina amby efapolo taona no efa nananganana ity tempoly ity, koa Ianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana? Ny tenany anefa no tempoly nolazainy. Koa rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy dia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesosy izy ireo. Nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ny Paska, izany hoe tamin’ny andro firavoravoana, dia maro no nino ny anarany raha nahita ny famantarana izay nataony. Nefa Jesosy tsy natoky azy satria fantany avokoa ny olona rehetra; ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany no nahalala izay tao am-pon’ny olona. Nisy Fariseo iray antsoina hoe Nikodemosy, mpanapaka teo amin’ny Jiosy. Nankao amin’i Jesosy izy nony alina ka niteny Taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy. Hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Nikodemosy Taminy: Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe? Moa mahazo miditra any an-kibon’ny reniny indray va izy ka hateraka? Hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Ny rivotra dia mitsoka any amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany, dia tahaka izany koa izay rehetra ateraky ny Fanahy. Ary hoy i Nikodemosy: Hatao ahoana no hahatanteraka izany zavatra izany? Hoy i Jesosy namaly azy: Ianao va no mpampianatra ny Israely ka tsy mahalala izany zavatra izany? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambarànay tsy raisinareo. Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? Tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-tany efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. Fa tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy hotsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo satria tsy nino ny anaran’ny Zanakalahitokan’Andriamanitra izy. Ary izao no fitsarana: Tonga eto amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ny ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, satria atao ao amin’Andriamanitra izany. Taorianan’izany dia tonga tany amin’ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. Ary i Jaona koa dia nanao batisa tao Ainona, akaikin’i Saleima, satria be rano tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa satria tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Jaona. Ary nisy nifandiran’ny mpianatr’i Jaona tamin’ny Jiosy iray ny amin’ny fanadiovana. Ary tonga tany amin’i Jaona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: Raby ô, ilay tany aminao, tany andafin’i Jordana, izay nambaranao, indro manao batisa Izy, ary ny olona rehetra dia manatona Azy. Dia hoy i Jaona hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. Ianareo no vavolombeloko, fa hoy aho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahina hialoha Azy aho. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany. Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa dia tsy maintsy mihena. Izay avy any ambony dia ambonin’ny rehetra; ary izay avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany, koa ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; izay avy any an-danitra dia ambonin’izy rehetra; koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambaràny. Izay mandray ny fanambaràny dia manisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Fa izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny teniny; satria tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tanany. Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka kosa dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Tamin’izay, rehefa fantatr’i Jesosy fa ny Fariseo efa nahare hoe: Jesosy mahazo mpianatra maro sy nanao batisa be noho i Jaona, kanefa tsy Jesosy tenany no nanao batisa fa ny mpianany, dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray. Ary tsy maintsy namakivaky an’i Samaria Izy. Tonga tao an-tanàna iray any Samaria, izay atao hoe Sikara, Jesosy; izy io dia akaikin’ny tany izay nomen’i Jakoba ho an’i Josefa zanany. Ary teo ilay fantsakan’i Jakoba. Koa satria sasatra tamin’ny nalehany Jesosy dia nipetraka teo am-pantsakana, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina. Ary nisy vehivavy samaritana iray avy hantsaka rano; dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko. Fa efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany. Fa hoy Ravehivavy samaritana Taminy: Jiosy Ianao ka nahoana no mangataka amiko rano hosotroina nefa aho vehivavy samaritana? Fa ny Jiosy dia tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana. Ary hoy Jesosy: Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko dia ianao no ho nangataka Taminy ka nomeny rano velona. Hoy Ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Ianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no hahazoanao izany rano velona izany? Ianao va lehibe noho i Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ny bibiny no nisotro teto? Fa Jesosy namaly azy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; satria ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao aminy ho fiainana mandrakizay. Dia hoy Ravehivavy Taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony. Ary hoy Jesosy taminy: Andeha ary antsoy ny vadinao dia mankanesa atỳ. Namaly Azy Ravehivavy hoe: Tsy manambady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manambady aho; fa efa nanambady indimy ianao sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. Hoy Ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany ianao. Ny razanay dia nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; ianareo anefa dia milaza fa any Jerosalema ihany no tokony hivavahana. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. Ianareo dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa dia mivavaka amin’izay fantatray satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena. Fa avy ny fotoana sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; satria ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Dia hoy Ravehivavy taminy: Fantatro fa ho avy ny Mesia, ilay atao hoe Kristy; koa rehefa tonga Izy dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. Hoy Jesosy taminy: Izaho izay miresaka aminao no Izy. Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nahateny hoe: Inona no tadiavinao? Na hoe: Nahoana no miresaka aminy Ianao? Dia nandao ny sininy Ravehivavy ka nankany an-tanàna ary nilaza tamin’ny olona hoe: Andeha isika hizaha lehilahy iray, izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; izao angaha no Kristy! Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesosy. Nandritra izany fotoana izany kosa dia niangavy Azy ny mpianany hoe: Hano, Raby ô. Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanina izay tsy fantatrareo. Dia niresaka ny mpianatra hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re? Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. Moa tsy ianareo va no milaza hoe: Efa-bolana no sisa dia ho tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo ka jereo, fa efa masaka sahady ho amin’ny fijinjana ny eny an-tsaha. Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. Ary amin’izany dia marina ilay teny hoe: Mamafy ny iray, mijinja kosa ny iray. Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’izay nisasarany. Maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy noho ny filazan-dRavehivavy izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. Rehefa nanatona Azy ny Samaritana dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; koa nitoetra tao roa andro Izy. Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nilaza tamin-dRavehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. Rehefa afaka ny roa andro dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia. Fa Jesosy tenany no nanambara fa tsy misy mpaminany omen-kaja ao amin’ny taniny. Koa rehefa tonga tany Galilia Izy dia nandray Azy ny Galiliana satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana; fa mba niakatra tamin’ny andro firavoravoana koa izy ireo. Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray tany Kapernaomy izay nanana zanakalahy narary. Rehefa nahare izy fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia dia nankany Aminy izy ka nangataka Azy mba hidina any aminy sy hanasitrana ny zanany izay efa ho faty. Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba hety hino mihitsy. Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re dieny tsy mbola maty ny zanako. Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy Ralehilahy ka lasa nody. Nony nidina izy dia nitsena azy ireo mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. Ary nanontany azy ny ora izay nahasitranany izy. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy. Koa fantatry ny rainy fa tamin’izay indrindra no ora nitenenan’i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra. Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia. Taorianan’izany dia nisy andro firavoravoan’ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema. Any Jerosalema, eo akaikin’ny vavahadin’ondry, dia misy farihy izay antsoina amin’ny teny hebreo hoe Betesda; misy fialofana dimy izy io. Tao no nandrian’ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny maty ila, izay miandry ny fihetsehan’ny rano. Fa nisy anjely nidina tany amin’ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay niroboka voalohany, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretina nanjo azy. Ary nisy lehilahy iray izay efa narary nandritra ny valo amby telopolo taona teo. Raha nahita azy mandry teo Jesosy ka nahalala fa efa nahazo azy hatry ny ela izany dia hoy Izy taminy: Te ho sitrana va ianao? Dia namaly Azy ilay marary hoe: Tompoko, rehefa hetsehina ny rano dia tsy mba misy olona handroboka ahy ao amin’ny farihy; nefa raha mandeha aho dia misy olon-kafa misosoka eo alohako. Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka mandehana. Ary niaraka tamin’izay dia sitrana Ralehilahy ka nitondra ny fandrianany, ary lasa nandeha. Sabata izay andro izay. Dia hoy ny Jiosy tamin’ilay efa sitrana: Sabata ny andro ka tsy mety raha mitondra ny fandriananao ianao. Fa hoy Ralehilahy hoe: Ilay nanasitrana ahy no niteny tamiko hoe: Batao ny fandriananao ka mandehana. Ary ireo dia nanontany azy hoe: Iza moa izany lehilahy izany, izay niteny taminao hoe: Batao ny fandriananao ka mandehana? Fa ilay sitrana dia tsy nahalala Azy; ary niala teo Jesosy satria nisy vahoaka betsaka teo. Taorianan’izany dia hitan’i Jesosy tao amin’ny tempoly Ralehilahy, ary hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo. Dia lasa Ralehilahy ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no nanasitrana azy. Ary noho izany dia nanenjika an’i Jesosy ny Jiosy satria nanao izany zavatra izany tamin’ny Sabata Izy. Dia hoy Jesosy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho Izy nandika ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy sady nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy. Hoy indray Jesosy tamin’izy ireo: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona avy amin’ny fahefan’ny tenany, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy mba ho gaga ianareo. Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany. Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hotsaraina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny fotoana ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. Fa tahaka ny Ray manana fiainana ao Aminy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ao Aminy; ary nomeny fahefana hitsara Izy satria Zanak’Olona. Aza gaga amin’izany; fa avy ny fotoana izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hiala avy ao izy: Izay nanao ny tsara dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fiainana; fa izay nanao ny ratsy kosa dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fitsarana. Raha Izaho dia tsy afaka manao na inona na inona avy amin’ny fahefan’ny tenako; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy. Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambaràko. Misy Iray izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambaràna izay anambaràny Ahy. Ianareo dia nandefa iraka tany amin’i Jaona, ary nanambara ny marina momba Ahy izy. Fa tsy mandray ny fanambaràna avy amin’olona Aho; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo. I Jaona dia jiro nirehitra ka namirapiratra; ary sitrakareo ny nifaly vetivety tamin’ny fahazavany. Fa Izaho kosa manana fanambaràna lehibe noho i Jaona; satria ny asa nomen’ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara ny momba Ahy fa nirahin’ny Ray Aho. Ary ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony na hitanareo akory aza ny endriny; ary tsy mba mitoetra ao anatinareo ny teniny satria tsy mino izay nirahiny ianareo. Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo fiainana. Tsy mandray laza amam-boninahitra avy amin’olona Aho. Fa fantatro ianareo fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao am-ponareo. Izaho dia avy amin’ny anaran’ny Raiko nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany dia horaisinareo ihany izy. Hataonareo izay mifampitady voninahitra ahoana moa no fino, raha ny voninahitra avy amin’ny Andriamanitra tokana aza tsy mba tadiavinareo? Aza heverinareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia i Mosesy izay itokianareo. Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo dia ho nino Ahy satria nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ireo teniko? Taorianan’izany dia lasa Jesosy nita ny ranomasin’i Galilia, dia ny ranomasin’i Tiberiasy izany. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ny marary. Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao Izy mbamin’ny mpianany. Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ny Jiosy. Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy dia hoy Izy tamin’i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo? Nataony izany mba hizahany toetra azy; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony. Dia namaly Azy i Filipo hoe: Na dia mofo vidìna amin’ny denaria roanjato aza tsy ho ampy azy rehetra hananany kely avy. Ny mpianany iray, i Andrea, rahalahin’i Simona Petera, dia nilaza taminy hoe: Misy zazalahy manana mofo varimbazaha dimy sy hazandrano madinika roa atỳ, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao? Fa hoy Jesosy: Asaivo mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Dia nipetraka ireo ka tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra Izy dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana; ary ny hazandrano koa dia araka izay nilainy. Rehefa voky ny olona dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very. Dia nangoniny ka nahafeno harona roa amby folo ny sombintsombin’ny mofo varimbazaha dimy, izay ambiny tsy lanin’ny mpihinana. Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’i Jesosy: Ity tokoa no ilay Mpaminany izay tonga eto amin’izao tontolo izao. Rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka dia lasa niala indray Izy irery nankany an-tendrombohitra. Rehefa hariva ny andro dia nidina ho eny amin’ny ranomasina ny mpianany. Niondrana an-tsambokely izy ireo dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Efa maizina sahady ny andro tamin’izay nefa Jesosy tsy mbola tonga teny aminy. Ary nanonja be ny ranomasina, fa mafy ny fifofofofon’ny rivotra. Rehefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stadio izy ireo dia nahita an’i Jesosy nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina ary nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy ireo. Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany ity; aza matahotra. Dia ta handray Azy ho eo an-tsambokely izy ireo; ary niaraka tamin’izay ny sambokely dia tonga tamin’ny tany izay nalehany. Nony ampitson’iny, ny vahoaka izay nijanona teny ampitan’ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha, kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo, koa nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ireo ka nankany Kapernaomy mba hitady an’i Jesosy. Rehefa nahita Azy teny ampitan’ny ranomasina izy ireo dia niteny Taminy hoe: Raby ô, oviana no tonga teto Ianao? Dia hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase. Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra? Dia novalin’i Jesosy hoe: Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny. Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao? Ny razantsika dia nihinana ny mana tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: «Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny» (Sal 78.24). Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. Fa ny mofon’Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao. Dia hoy ireo Taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy dia tsy mba hangetaheta intsony. Efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo nefa tsy mino. Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon’izay naniraka Ahy dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy ireny. Fa izao no sitrapon’ny Raiko dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Dia nimonomonona tamin’i Jesosy ny Jiosy satria Izy nilaza hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra. Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, zanak’i Josefa, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Koa ahoana indray no ilazany ankehitriny hoe: Izaho ilay nidina avy tany an-danitra? Fa hoy Jesosy hoe: Aza mimonomonona ianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: «Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra» (Isa 54.13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy. Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay mino no manana fiainana mandrakizay. Izaho no mofon’aina. Ny razanareo dia nihinana ny mana tany an-tany efitra nefa maty ihany. Inty kosa dia mofo midina avy any an-danitra mba tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko mba ho fiainan’izao tontolo izao. Dia nifandìtra ny Jiosy ka niteny hoe: Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika? Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’Olona sy misotro ny rany ianareo dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana ary ny rako no tena fisotro. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao Amiko ary Izaho kosa ao aminy. Tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny alalan’ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amin’ny alalako. Inty no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. Izany teny izany no nolazainy tao amin’ny sinagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy. Maro tamin’ny mpianany izay nandre Azy no niteny hoe: Sarotra izany teny izany, iza no afaka hihaino izany? Ary fantatr’i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona ny amin’izany ny mpianany, koa hoy Izy tamin’izy ireo: Mahatafintohina anareo va izany? Mainka raha mahita ny Zanak’Olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha ianareo. Ny fanahy no mahavelona; ny nofo dia tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Kanefa misy tsy mino ny sasany aminareo. Fantatr’i Jesosy hatramin’ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany. Hatramin’io dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha Taminy intsony. Dia hoy Jesosy tamin’ny roa amby folo lahy: Ianareo koa va mba te hiala? Hoy i Simona Petera Taminy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary mino izahay ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra. Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa amby folo lahy, nefa ny iray aminareo aza dia devoly? Fa nilaza an’i Jodasy, zanak’i Simona iskariota, Izy tamin’io; izy io no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ny roa amby folo lahy. Taorianan’izay dia nitety tany Galilia Jesosy; fa tsy te hitety an’i Jodia Izy satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. Efa akaiky moa ny andro firavoravoan’ny Jiosy, dia ny fetin’ny Trano rantsan-kazo, koa hoy ny rahalahiny Taminy: Mialà eto Ianao ka mandehana ho any Jodia mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; fa tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany dia mitady ho hita miharihary; raha manao izao zavatra izao Ianao dia misehoa amin’izao tontolo izao. Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoanandroko; fa ny fotoananareo dia vonona lalandava. Tsy afaka mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany satria Izaho milaza fa ratsy ny asany. Miakara any amin’ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola hiakatra ho amin’ity andro firavoravoana ity satria tsy mbola tonga ny fotoanandroko. Rehefa avy nilaza ireo teny ireo taminy Izy dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. Rehefa lasa niakatra ho amin’ny andro firavoravoana ny rahalahiny dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho fa toa niafinafina. Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ny andro firavoravoana ka niteny hoe: Aiza Izy? Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany: Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy. Rehefa nisasaka ny andro firavoravoana dia niakatra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nampianatra. Gaga ny Jiosy ka niteny hoe: Ahoana no nahaizan’Ilehity ny Soratra, nefa tsy mba nianatra Izy? Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Tsy Ahy ny fampianarako fa an’Izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta hanao ny sitrapony dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany na miteny amin’ny fahefan’ny tenako Aho. Izay miteny amin’ny fahefan’ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy. Tsy i Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? Nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? Ary hoy ny vahoaka hoe: Manana demonia Ianao; iza no mitady hamono Anao? Dia novalin’i Jesosy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, dia gaga avokoa ianareo rehetra. Izao no nanomezan’i Mosesy anareo ny famorana: Tsy noho izy avy tamin’i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ny razana, koa na amin’ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. Raha amin’ny Sabata aza no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan’i Mosesy dia ho tezitra Amiko va ianareo satria nisy olona iray nositraniko ny tenany manontolo tamin’ny Sabata. Aza mitsara araka ny miseho fa mba mitsarà marina. Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia niteny hoe: Tsy Ilehity va ilay tadiaviny hovonoina? Ary indro Izy izao miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Efa fantatry ny mpitondra tokoa va fa io no Kristy? Fantatsika izao anefa ny niavian’Ilehio, fa raha avy Kristy dia tsy misy mahalala izay hiaviany. Raha nampianatra tao amin’ny tempoly Jesosy dia niantso hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay niaviako; ary tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako Aho, fa marina ny naniraka Ahy, izay tsy fantatrareo. Izaho mahalala Azy; fa Izy no niaviako, koa Izy no naniraka Ahy. Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy nahakasi-tanana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony. Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka niteny hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ity Lehilahy ity va Izy? Ary nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny Aminy ny Fariseo ka naniraka mpiambina hisambotra Azy, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo. Dia hoy Jesosy: Kely foana no mbola itoerako aminareo dia hankany amin’izay naniraka Ahy Aho. Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo aleha. Dia nifampiresaka ny Jiosy hoe: Aiza moa no halehan’Ilehity no tsy ho hitantsika? Hankany amin’izay miely any amin’ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? Ahoana moa izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo nefa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy ho azonareo aleha? Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Ny Fanahy, izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny. Ary ny sasany tamin’ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nilaza hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany. Hoy koa ny sasany: Ity no Kristy. Ary hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no iavian’i Kristy? Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’i Davida (Mik 5.1)? Dia nisara-tsaina ny amin’i Jesosy ny vahoaka. Ary nitady hisambotra Azy ny sasany; kanefa tsy nisy nahakasi-tanana Azy. Ary niverina nankeo amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ireo mpiambina ka nanontaniany hoe: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy? Dia namaly ireo mpiambina hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. Ary hoy ny Fariseo tamin’izy ireo hoe: Voafitaka koa va ianareo? Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna. Ary i Nikodemosy izay iray tamin’ireo mpanapaka, ilay efa niresaka tamin’i Jesosy teo aloha, dia niteny tamin’ireo hoe: Moa manameloka olona va ny lalànantsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony? Fa hoy izy ireo taminy: Ianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia. Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra. Fa Jesosy kosa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva. Raha vao maraina dia nankao amin’ny tempoly indray Jesosy, ary satria ny vahoaka rehetra nanatona Azy dia nipetraka Izy ka nampianatra azy. Ary nisy vehivavy iray, tratra nijangajanga, noentin’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo; ary rehefa avy napetrany teo afovoany izy dia hoy ireo Taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity dia tratra nijangajanga. Ary ao amin’ny lalàna, i Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo 22.22-24); fa ahoana kosa hoy Ianao? Izany no nolazainy hakany fanahy Azy mba hahazoany antony hiampangana Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsantanany. Ary raha nitohy nanontany Azy ry zareo dia nitraka Izy ka niteny taminy hoe: Izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsantanany. Raha nandre izany izy ireo dia niala tsirairay, hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny; ary Jesosy sy ilay vehivavy, izay natao teo afovoany, irery no sisa teo. Rehefa nitraka Jesosy dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ry zareo teo? Tsy nisy nanameloka anao va? Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony. Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Dia hoy ny Fariseo Taminy: Ianao izao dia manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao. Hoy Jesosy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho dia marina ny fanambaràko satria fantatro izay niaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa dia tsy mahalala izay niaviako na izay alehako. Mitsara araka ny nofo ianareo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza. Ary na dia mitsara aza Aho dia marina ny fitsarako satria tsy irery Aho, fa ao Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy. Fa voasoratra ao amin’ny lalànanareo fa marina ny teny ijoroan’ny olona roa vavolombelona (Deo 19.15). Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa. Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Dia hoy Jesosy hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo dia ho nahalala ny Raiko koa. Teo akaikin’ny fandatsahan-drakitra izany teny izany no nolazain’i Jesosy, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony. Hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; izay halehako dia tsy ho azonareo aleha. Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy no milaza hoe: Izay alehako dia tsy azonareo aleha? Fa hoy Izy taminy: Ianareo dia avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo dia avy amin’izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin’izao tontolo izao; koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo. Dia hoy ireo taminy: Iza moa Ianao? Hoy Jesosy tamin’izy ireo: Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho satria marina izay naniraka Ahy; ary izay zavatra reko Taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao. Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy, koa hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak’Olona dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona amin’ny fahefan’ny tenako Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. Ary izay naniraka Ahy dia eto Amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva. Rehefa nilaza izany teny izany Jesosy dia maro no nino Azy. Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa; koa ho fantatrareo ny marina ary ny marina no hanafaka anareo tsy ho andevo. Ary ireo dia namaly Azy hoe: Taranak’i Abrahama izahay fa tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo? Hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota. Fa ny andevo dia tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva. Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo. Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo nefa mitady hamono Ahy satria tsy mitombo ao anatinareo ny teniko. Izay efa hitako tamin’ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa dia manao izay renareo tamin’ny rainareo. Dia hoy ireo hoe: I Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak’i Abrahama ianareo dia ny asan’i Abrahama no hataonareo. Fa ankehitriny ianareo dia mitady hamono Ahy, izay lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’Andriamanitra; tsy mba nanao izany i Abrahama. Ianareo dia manao ny asan’ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin’ny fijangajangana izahay; iray ihany ny Rainay dia Andriamanitra. Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo dia ho tia Ahy ianareo satria avy tamin’Andriamanitra no niaviako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga amin’ny fahefan’ny tenako fa Izy no naniraka Ahy. Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy afaka mihaino ny teniko ianareo. Ianareo avy tamin’ny devoly rainareo, koa izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy dia ny azy no lazainy satria mpandainga izy sady rain’ny lainga. Fa satria milaza ny marina Aho dia tsy inoanareo. Iza aminareo moa no hampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy? Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo satria tsy mba avy amin’Andriamanitra ianareo. Dia namaly Azy ny Jiosy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana ianao sady manana demonia? Fa hoy Jesosy hoe: Tsy manana demonia Aho, fa mankalaza ny Raiko, nefa kosa ianareo dia manala baraka Ahy. Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy iray mitady sy mitsara. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko dia tsy mba hahita fahafatesana mandrakizay. Dia hoy ny Jiosy Taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Ianao. Efa maty i Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Ianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko dia tsy mba hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Moa Ianao va lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Sady efa maty koa ny mpaminany; koa manao Anao ho iza moa Ianao? Dia novalin’i Jesosy hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy. Tsy fantatrareo Izy fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Aho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny. Miravoravo i Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao izao dia ho efa nahita an’i Abrahama va Ianao? Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary i Abrahama dia efa Izy Aho. Dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala tao amin’ny tempoly. Raha nandalo toerana iray Jesosy dia nahita lehilahy jamba hatramin’ny nahaterahany. Ary nanontany Azy ny mpianany hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? Dia novalìn’i Jesosy hoe: Tsy io lehilahy io no nanota na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy no anton’izao. Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina ka tsy mahazo miasa ny olona. Raha amin’izao tontolo izao Aho dia fahazavan’izao tontolo izao. Rehefa avy nilaza izany Izy dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba. Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao any amin’ny farihy Siloama, izay atao hoe Nirahina, ny masonao. Dia lasa ilay jamba nanasa ny masony, ary niverina nahiratra. Koa izay nifanolo-bodirindrina taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia niteny hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka? Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany ity. Hoy kosa izy: Izaho no izy. Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ny masonao? Ary hoy izy hoe: Ilay lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka niteny tamiko hoe: Mankanesa any Siloama ka sasao ny masonao; dia nandeha aho ka nanasa azy ary nahiratra. Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany lehilahy izany? Hoy Ralehilahy: Tsy fantatro. Dia noentiny tany amin’ny Fariseo ilay jamba taloha. Ary tamin’ny andro Sabata no nanaovan’i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dRalehilahy. Ary mbola nanontany azy ny amin’izay nahiratan’ny masony koa ny Fariseo. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko dia nosasako ka nahiratra aho. Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy ireo. Ary hoy indray izy tamin’ilay jamba: Inona no ilazanao ilay nampahiratra ny masonao? Dia hoy izy: Mpaminany Izy. Fa ny Jiosy dia tsy nino azy ho jamba nahiratra, raha tsy niantso ny ray aman-drenin’ilay nahiratra ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo hoe teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao indray? Dia hoy ny navalin’ireto ray aman-dreniny hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; fa tsy fantatray izay fomba nahiratany toy izao; ary tsy fantatray izay olona nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ny tenany. Izany teny izany no nolazain’ny ray aman-dreniny satria natahotra ny Jiosy izy ireo; fa efa nifanaiky mantsy ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina tsy ho isan’ny amin’ny sinagoga. Izany no nilazan’ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio. Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ireo ka niteny taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay dia mahalala fa mpanota izany lehilahy izany. Fa hoy izy hoe: Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: Jamba aho teo aloha fa mahiratra aho izao. Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana hoe no nampahiratany ny masonao? Dia hoy izy hoe: Efa voalazako taminareo ihany fa tsy nihaino ianareo; nahoana indray no te hihaino ianareo izao? Moa te ho mpianany koa va ianareo? Dia nanevateva azy izy ireo hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay dia mpianatr’i Mosesy. Izahay dia mahalala fa i Mosesy no nitenenan’Andriamanitra; fa ny amin’izany lehilahy izany dia tsy fantatray izay niaviany. Namaly azy Ralehilahy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! Fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny. Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba. Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany dia tsy nahefa na inona na inona Izy. Ary hoy ny navalin’izy ireo azy hoe: Tena teraka tamin’ny ota tokoa Ialahy, koa Ialahy indray va no hampianatra anay? Dia noroahiny ho any ivelany izy. Ren’i Jesosy fa efa noroahiny ho any ivelany Ralehilahy; koa rehefa nahita azy Izy dia niteny hoe: Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao? Namaly Ralehilahy hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao sady izay miresaka aminao izao no Izy. Dia hoy izy: Tompoko, mino aho. Sady niankohoka teo anatrehany izy. Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. Ary ny Fariseo sasany izay teo Aminy, nony nandre izany, dia niteny taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny miteny hoe: Mahiratra izahay dia tsy afaka ny helokareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry fa mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy. Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry. Ary izy no vohàn’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry dia mihaino ny feony; koa izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ary entiny mivoaka avy tao. Rehefa mamoaka ny ondriny rehetra izy dia mialoha azy ireo; ary manaraka azy ny ondriny satria mahalala ny feony ireo. Ny vahiny dia tsy mba harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny. Izany fanoharana izany no nataon’i Jesosy taminy, nefa tsy azon’ireo nihaino, izay tiany nolazainy taminy. Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no vavahady; raha Izaho no idiran’ny olona dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be. Izaho no Mpiandry tsara; ny Mpiandry tsara dia manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia kosa dia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy ireo; mandositra izy satria mpikarama ka tsy miraharaha ny ondry. Izaho no Mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ireny koa dia tsy maintsy hoentiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy rehetra sady iray ihany ny Mpiandry. Izany no itiavan’ny Raiko Ahy satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko Amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko. Ary nisy fisarahana indray teo amin’ny Jiosy noho izany teny izany. Maro tamin’ireo no niteny hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo? Hoy kosa anefa ny sasany: Tsy mba tenin’ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ny jamba? Tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. Ary Jesosy nitsangantsangana tao amin’ny tempoly teo amin’ny fialofan’i Solomona. Dia nitangoronan’ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy dia lazao marimarina aminay. Ary Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko no manambara Ahy. Kanefa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko. Ny ondriko dia mihaino ny feoko, mahalala azy Aho, ary manaraka Ahy izy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay ka tsy ho very mandrakizay izy, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako. Ny Raiko izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. Fa hoy Jesosy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ireny moa no itorahanareo vato Ahy? Namaly Azy ny Jiosy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Ianao nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. Dia hoy Jesosy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ny lalànanareo va hoe: «Hoy aho: Ianareo andriamanitra» (Sal 82.6)? Raha ireny izay nanaovana izany tenin’Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra, ary ny Soratra Masina dia tsy azo foanana, moa izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy ianao, satria hoy Aho: Zanak’Andriamanitra Aho? Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho dia aza mino Ahy. Fa raha manao ny asany ihany kosa Aho, na tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato Amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray. Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa niala teo Izy ka tsy voatanany. Dia lasa nankany andafin’i Jordana indray Jesosy, ho any amin’ilay toerana nanaovan’i Jaona batisa voalohany ka nitoetra tany Izy. Maro no nankeo Aminy ka nilaza hoe: Tsy mba nanao famantarana i Jaona, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ity lehilahy ity dia marina avokoa. Ary maro no nino Azy teo. Nisy lehilahy iray narary, dia i Lazarosy avy any Betania, tanànan’i Maria sy i Marta rahavaviny. I Maria dia ilay nanosotra menaka manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ary i Lazarosy anadahiny ity narary ity. Nandefa iraka tany amin’i Jesosy izy mirahavavy mba hilaza hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao. Ary rehefa ren’i Jesosy izany dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra. Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary i Lazarosy. Nony ren’i Jesosy fa narary i Lazarosy dia mbola nitoetra roa andro teo amin’izay nitoerany ihany Izy. Taorianan’izany, vao hoy Izy tamin’ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray. Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ny Jiosy hitora-bato Anao, koa hankany indray va Ianao? Dia hoy ny navalin’i Jesosy hoe: Tsy roa amby folo va ny ora amin’ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ny antoandro dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’izao tontolo izao. Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina dia ho tafintohina izy satria tsy misy mazava ao aminy. Izay no nolazainy; ary taorianan’izany dia hoy Izy taminy: Matory i Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. Dia hoy ny mpianatra Taminy: Tompoko, raha matory izy dia azo vonjena ihany. Nefa Jesosy tamin’io dia nilaza ny fahafatesan’i Lazarosy; saingy nataon’izy ireo kosa fa ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazainy. Tamin’izay Jesosy vao nilaza mazava taminy hoe: Maty i Lazarosy. Ary faly Aho noho ny aminareo satria tsy tany, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy. Dia hoy i Tomasy, izay atao hoe Kambana, tamin’ny mpianatra namany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy. Nony tonga Jesosy dia hitany fa efa nilevina hefarana izy. Ary Betania dia tao akaikin’i Jerosalema, tokony ho dimy amby folo stadio no elanelany. Ary maro tamin’ny Jiosy no efa tonga teo amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny anadahiny. Ary i Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa i Maria kosa dia nitoetra tao an-trano. Ary hoy i Marta tamin’i Jesosy: Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko. Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza, na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao. Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. Fa hoy i Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga amin’izao tontolo izao. Rehefa nilaza izany izy dia nandeha niantso mangingina an’i Maria rahavaviny ka hoy izy hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao. Raha vao nandre izany i Maria dia nitsangana haingana ka nankeo Aminy. Nefa tsy mbola tonga tao an-tanàna Jesosy, fa mbola teo amin’ilay toerana nitsenan’i Marta Azy ihany. Ary ny Jiosy izay tao amin’i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana haingana ka nivoaka avy tao dia nanaraka azy satria nataony fa nankany amin’ny fasana hitomany any izy. Ary i Maria, rehefa tonga teo amin’izay nisy an’i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka niteny Taminy hoe: Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko. Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa dia vonto ny fanahiny ka nangorohoro ny tenany; ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo Taminy: Tompoko, andeha hizaha. Jesosy nitomany. Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy! Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’Ilehity izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dRalehilahy ity? Dia vonto indray ny fanahin’i Jesosy ka nankeo amin’ny fasana Izy, ary zohy izany sady nisy vato narindrina teo. Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy i Marta, anabavin’ny maty, Taminy: Tompoko, efa maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra? Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka niteny hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Ianao. Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy. Rehefa nilaza izany teny izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka tao ny maty, ny tanany sy ny tongony dia nisy fehim-paty sady voasarona lambam-paty koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy ka avelao handeha. Ary maro tamin’ny Jiosy, izay nankeo amin’i Maria ka nahita ireo zavatra nataon’i Jesosy ireo, no nino Azy. Fa ny sasany tamin’ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataon’i Jesosy. Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo dia nanangona ny Sinedriona ka niteny hoe: Ahoana no hataontsika? Fa iny lehilahy iny dia manao famantarana maro. Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika. Ary ny iray taminy, dia i Kaiafa mpisoronabe, tamin’izany taona izany, dia niteny taminy hoe: Ianareo dia tsy mahalala na inona na inona, na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho levona avokoa ity firenena ity. Ary tsy niteny izany tamin’ny hevitry ny tenany izy, fa satria Mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; ary tsy hamonjy io firenena io ihany fa mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely mba ho tafangona ho iray. Koa hatramin’izany andro izany dia nikendry hahafaty Azy ry zareo. Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ny tany akaikin’ny tany efitra, ho any amin’ny tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianatra. Ary efa akaiky ny Paska an’ny Jiosy; ary maro ny avy tany ambanivohitra no niakatra ho any Jerosalema nialoha ny Paska mba hanadio ny tenany. Dia nitady an’i Jesosy ireo, raha nijanona tao amin’ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy? Ary ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo dia efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany dia tsy maintsy milaza amin’izy ireo mba hisamborany Azy. Rehefa henemana no sisa tsy hahatongavan’ny Paska, Jesosy, dia tonga tao Betania izay nitoeran’i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ny maty. Nanao fanasana ho an’i Jesosy tao izy ireo; i Marta no nanompo; fa i Lazarosy no iray tamin’izay niara-nipetraka nihinana taminy. Ary rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjana iray livatra, i Maria, dia nanosotra ny tongotr’i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; koa feno ny hanitry ny menaka ny trano. Ary hoy i Jodasy iskariota, iray tamin’ny mpianany, dia ilay efa hamadika Azy: Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telonjato ka nomena ny mahantra? Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny mahantra, fa noho izy mpangalatra sady izy koa no mpitondra ny kitapom-bola ka naka izay tao anatiny. Dia hoy Jesosy: Avelao izy mba hotehiriziny ho amin’ny andro hanamboarany Ahy halevina. Fa ny mahantra dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva. Betsaka tamin’ny vahoaka Jiosy no nahafantatra fa teo Jesosy, ary tonga teo ireo, nefa tsy noho Jesosy ihany fa mba hahita an’i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ny maty. Fa nikendry hahafaty an’i Lazarosy koa ireo lehiben’ny mpisorona satria noho ny aminy no nialan’ny maro tamin’ny Jiosy ka ninoany an’i Jesosy. Ny ampitson’iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Israely, Ilay avy amin’ny anaran’NY TOMPO (Sal 118.26). Ary Jesosy nahita zana-boriky iray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: «Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky» (Zak 9.9). Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ny voninahiny Jesosy, izay vao nahatsiaro izy ireo fa voasoratra hilaza Azy io zavatra io, sady efa nataony taminy izany. Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teo Aminy, fony Izy niantso an’i Lazarosy hivoaka avy tao amin’ny fasana ka nanangana azy tamin’ny maty. Izany koa no nitsenan’ny vahoaka Azy satria efa reny fa nanao ilay famantarana iny Izy. Ary tamin’izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao. Nisy Grika ny sasany tamin’ireo niakatra hivavaka tamin’ny andro firavoravoana, ary izy ireo dia nankany amin’i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy hoe: Tompoko, mba ta hahita an’i Jesosy izahay. Dia lasa nilaza tamin’i Andrea i Filipo; avy eo kosa dia lasa nilaza tamin’i Jesosy i Andrea sy i Filipo. Ary hoy Jesosy: Tonga ny fotoanandro hankalazana ny Zanak’Olona. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia hahavokatra be. Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry izany ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy olona manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray. Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko; ary inona no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? Nefa izao no niaviako ho amin’ity ora ity; Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra hoe: Efa nankalaza Azy Aho ary mbola hankalaza Azy indray. Ary ny vahoaka izay nijoro teo ka nahare dia niteny hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny Taminy. Fa hoy Jesosy hoe: Tsy noho ny Amiko no nahatongavan’izany feo izany fa noho ny aminareo. Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao dia horoahina any ivelany. Ary Izaho rehefa hasandratra hiala amin’ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay efa hiaretany. Dia hoy ny vahoaka Taminy hoe: Efa renay tamin’ny lalàna fa Kristy dia haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’Olona? Iza moa izany Zanak’Olona izany? Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no itoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. Raha mbola manana ny mazava ianareo dia minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa avy nilaza izany Jesosy dia niala Izy ka niery azy ireo. Na dia efa nanao ireo famantarana betsaka ireo teo anatrehany aza Izy dia tsy mba nino Azy izy ireo mba hahatanteraka ny teny nataon’Isaia mpaminany hoe: «Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO?» (Isa 53.1) Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia: «Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy mba tsy hahita ny masony na hahalala ny fony, dia tsy hibebaka izy ka tsy hahasitrana azy Aho» (Isa 6.10). Izany teny izany no nolazain’Isaia satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy. Kanefa na dia maro aza ny mpitondra no nino Azy dia tsy nanaiky izy ireo noho ny Fariseo, fandrao horoahina tsy ho isan’ny ao amin’ny sinagoga. Fa aleon’izy ireo voninahitra avy amin’ny olona toy izay ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Ary Jesosy niantso hoe: Izay mino Ahy dia tsy Izaho no inoany fa izay naniraka Ahy. Ary izay mahita Ahy dia mahita izay naniraka Ahy. Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy. Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina izany, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho fa hamonjy izao tontolo izao. Izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko dia manana izay mitsara azy: Ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany, satria Izaho tsy niteny amin’ny fahefan’ny tenako, fa ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy ny amin’izay holazaiko sy izay hambarako. Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray Tamiko. Talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary tia ny Azy izay ao amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany. Raha mbola teo amin’ny fisakafoanana hariva izy ireo, ary i Jodasy iskariota, zanak’i Simona, dia efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy, sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tanany, ary Andriamanitra no niaviany, sady Andriamanitra koa no iverenany, dia nitsangana niala teo am-pisakafoanana Izy ka nametraka ny akanjony ivelany ary naka lamba famaohana ka nisikinany; avy eo dia nampidina rano tamin’ny koveta Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany. Dia nankeo amin’i Simona Petera Izy; fa hoy i Petera Taminy: Tompoko, Ianao va no hanasa ny tongotro? Dia hoy Jesosy: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny fa ho fantatrao aorianan’izao. Fa hoy i Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Ianao. Dia hoy Jesosy hoe: Raha tsy hosasako ianao dia tsy manana anjara Amiko. Dia hoy i Simona Petera Taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary fa ny tanako sy ny lohako koa. Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro dia tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra. Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra. Rehefa voasasany ny tongony dia nandray ny akanjony ivelany Izy ka nipetraka indray sady niteny taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? Ianareo dia miantso Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo dia tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho izay maniraka azy. Raha fantatrareo izany dia sambatra ianareo raha manao izany. Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Izay homana ny mofoko no nanainga ny voditongony hamely Ahy» (Sal 41.9). Hatramin’izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany mba hinoanareo rehefa tonga, fa Izaho no Izy. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. Rehefa nilaza izany Jesosy dia nangorohoro ny fanahiny ka nanambara Izy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy. Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy. Ary nisy mpianatra iray nipetraka nihinana teo anilan’i Jesosy, dia ilay tian’i Jesosy. Niantso azy i Simona Petera ka nanontany azy hoe: Iza no lazainy amin’izany. Raha mbola nipetraka tahaka izany izy dia niraika ho amin’ny tratran’i Jesosy ka niteny Taminy hoe: Tompoko, iza moa izany? Dia namaly Jesosy hoe: Ilay homeko ny sombi-mofo izay hatsoboko no izy. Ary rehefa natsobony ny sombi-mofo dia noraisiny ka nomeny an’i Jodasy, zanak’i Simona iskariota. Taorianan’izany no nidiran’i Satana tao aminy, koa hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy haingana. Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka nihinana no nahalala ny anton’ny nilazany izany taminy. Fa nataon’ny sasany hoe satria i Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana na mandehana manome zavatra ho an’ny mahantra. Ary rehefa nandray ny sombi-mofo izy dia niala teo niaraka tamin’izay. Ary efa alina ny andro tamin’izay. Nony efa tafavoaka izy dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’Olona; ary Andriamanitra no ankalazaina ao Aminy. Ary Andriamanitra hankalaza Azy amin’ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’izay Izy. Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, nefa araka ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: Izay alehako dia tsy ho azonareo aleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny. Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia. Hoy i Simona Petera taminy: Tompoko, ho aiza moa Ianao? Dia novalìn’i Jesosy hoe: Izay alehako dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny, fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay. Hoy i Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao aho ankehitriny? Na ny aiko aza anefa dia hafoiko noho ny Aminao. Fa hoy Jesosy: Ny ainao va hafoinao noho ny Amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno dia handa Ahy intelo ianao. Aza mangorohoro ny fonareo; minoa an’Andriamanitra ianareo, ary minoa Ahy koa. Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay halehako. Hoy i Tomasy Taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; koa hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. Hoy i Filipo Taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izay. Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no itenenanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako no ilazako izany; fa ny Ray mitoetra ato Amiko no manao ny asa. Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko; fa raha tsy izany dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy satria Izaho mankany amin’ny Ray. Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako dia hataoko izany mba hankalazana ny Ray ao amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra Amiko amin’ny anarako ianareo dia hataoko izany. Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo. Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. Hoy i Jodasy, tsy Iskariota, Taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao fa tsy amin’izao tontolo izao koa? Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo. Efa renareo fa nilaza taminareo Aho hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo dia ho faly satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. Ary ankehitriny, efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy. Fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto. Izaho no tena voaloboka ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampany rehetra eo Amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia dioviny mba hamoa bebe kokoa. Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko izay nolazaiko taminareo. Tomoera ao Amiko ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy mitoetra amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao Amiko. Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona. Raha misy tsy mitoetra ao Amiko dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao amin’ny afo dia ho may. Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany. Izany no ankalazana ny Raiko mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ka ho feno ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo dia tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa nataoko hoe sakaiza ianareo satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. Izany zavatra izany no andidiako anareo mba hifankatiavanareo. Raha halan’izao tontolo izao ianareo dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha avy amin’izao tontolo izao ianareo dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy avy amin’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo dia tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy dia hitandrina ny anareo koa. Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako satria tsy mahalala izay naniraka Ahy izy. Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialana azony atao ny amin’ny helony. Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa. Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’olon-kafa dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia efa hitany sady efa halany Aho sy ny Raiko koa; fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ny lalànany hoe: «Halany tsy amin’antony Aho» (Sal 69.4; 109.3). Fa raha tonga ny Mpananatra, izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary ianareo koa dia ho vavolombelona hanambara satria ianareo dia efa teto Amiko hatramin’ny voalohany. Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo mba tsy hahatafintohina anareo. Handroaka anareo tsy ho isan’ny sinagoga izy; eny, ho avy ny fotoana ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy. Ary izany no hataony satria tsy fantany ny Ray na Izaho. Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoanandro, fa efa nilaza izany taminareo Aho. Tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany izany satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho. Fa ankehitriny, mankany amin’Izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Ho aiza Ianao? Satria nilaza izany taminareo Aho dia vonton’alahelo ny fonareo. Fa milaza ny marina aminareo Aho; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy miala Aho dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra; fa rehefa mandeha Aho dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy. Ary rehefa tonga Izy dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: Ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho ka tsy mahita Ahy intsony ianareo; ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara. Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho nefa tsy zakanareo izany ankehitriny. Fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny avy amin’ny fahefan’ny tenany Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Izay rehetra ananan’ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo. Ary ny mpianany sasany dia niresaka hoe: Inona ary izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo satria mankany amin’ny Ray Aho? Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy amin’izany. Ary Jesosy nahalala fa ta hanontany Azy ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Mifanontany ianareo satria hoy Aho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary halahelo ianareo, nefa ny alahelonareo dia hody fifaliana. Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka satria tonga ny ora; fa rehefa velon-jaza izy dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho amin’izao tontolo izao. Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; nefa hahita anareo indray Aho dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona afaka manaisotra ny fifalianareo aminareo. Ary amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo; mangataha dia hahazo ianareo mba ho feno ny fifalianareo. Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny fotoana izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ny Ray. Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ny Ray ho anareo; fa ny Ray mihitsy no tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray Aho. Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho ka tonga amin’izao tontolo izao; ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ny Ray. Hoy ny mpianany: Indro, milaza mazava Ianao ankehitriny fa tsy manao fanoharana intsony. Ankehitriny, fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Ianao. Dia hoy Jesosy hoe: Mino va ianareo ankehitriny? Indro, avy ny fotoana; eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato Amiko. Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao. Rehefa nolazain’i Jesosy izany teny izany dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy ka niteny hoe: Ray ô, tonga ny fotoanandro; mankalazà ny Zanakao mba hankalazan’ny Zanaka Anao, araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao. Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana Taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao. Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. Fantany ankehitriny fa avy Taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny ka fantany marina tokoa fa avy Taminao Aho; ary nino izy fa Ianao no naniraka Ahy. Mangataka ho azy Aho; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy satria Anao izy. Ary izay Ahy rehetra dia Anao ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany Aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy mba ho iray ihany izy, tahaka ny maha iray Antsika. Raha mbola teo aminy Aho dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany mba hahatanteraka ny Soratra Masina. Fa ankehitriny mankany Aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’izao tontolo izao mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy satria tsy avy amin’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka Aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao fa ny mba hiaro azy amin’ilay ratsy. Tsy avy amin’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao. Manamasìna azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao. Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy. Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato Amiko ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao Amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny maha iray Antsika: Izaho ao aminy ary Ianao ato Amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa efa naniraka Ahy Ianao sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. Ray ô, tiako mba ho any Amiko amin’izay misy Ahy ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenana izao tontolo izao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto dia mahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary Izaho koa ho ao aminy. Rehefa voalazan’i Jesosy izany teny izany dia nandeha Izy mbamin’ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’Izy sy ny mpianany. Ary i Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahafantatra izany toerana izany satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ny mpianany. Ary rehefa nahazo miaramila iray toko sy mpiambina avy tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo i Jodasy dia nankao nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. Ary satria fantatr’i Jesosy izay rehetra hanjo Azy dia nanatona azy ireo Izy ka niteny tamin’ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo? Ary novalin’ireo hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa i Jodasy, ilay namadika Azy. Raha vao nilaza taminy Jesosy hoe: Izaho no Izy, dia nihemotra ireo ka lavo tamin’ny tany. Ary nanontany azy indray Jesosy hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta. Dia hoy Jesosy hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo dia avelao handeha ireto; mba hahatanteraka ny teny izay nolazainy hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy. Ary nanana sabatra i Simona Petera dia nanatsoaka izany ka nikapa ny sofin’ny mpanompon’ny Mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny havanana. Malko no anaran’ilay mpanompo. Dia hoy Jesosy tamin’i Petera: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy? Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiambina tamin’ny Jiosy dia nisambotra an’i Jesosy ka namatotra Azy, dia nitondra Azy tany amin’i Anasy aloha, fa izy no rafozan’i Kaiafa, Mpisoronabe tamin’izany taona izany. I Kaiafa dia ilay nanome saina ny Jiosy hoe mahatsara raha maty ny olona iray hamonjena ny firenena. Ary i Simona Petera sy ny mpianatra iray koa dia nanaraka an’i Jesosy; ary fantatry ny Mpisoronabe io mpianatra io, dia niara-niditra tamin’i Jesosy ho ao an-kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe izy. Fa i Petera dia nijanona teny ivelan’ny vavahady. Dia nivoaka avy tao ilay mpianatra iray izay fantatry ny Mpisoronabe ka niteny tamin’ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’i Petera niditra. Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Petera: Moa ianao mba isan’ny mpianatr’io lehilahy io? Hoy izy: Tsy izy aho. Ary namelona afon’arina ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary mba nijanona niara-namindro taminy koa i Petera. Ary nanadina an’i Jesosy ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany ny Mpisoronabe. Fa Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy tao amin’ny tempoly, izay iangonan’ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ny takona; koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo izay nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko. Rehefa nilaza izany teny izany Izy dia namely tehamaina an’i Jesosy ny mpiambina iray izay nitsangana teo sady niteny hoe: Izany va no famalinao ny Mpisoronabe? Dia hoy Jesosy: Raha ratsy no nolazaiko, ambarao izay maha ratsy azy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao? Ary nasain’i Anasy noentina am-patorana ho any amin’i Kaiafa izay Mpisoronabe Izy. Ary nijanona namindro teo i Simona Petera. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ny mpianany? Fa nandà izy hoe: Tsy izy aho. Hoy ny iray tamin’ny mpanompon’ny Mpisoronabe, havan’ilay nokapain’i Petera sofina: Tsy efa hitako niaraka Taminy tao anaty saha va ianao? Dia nandà indray i Petera; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno. Ary noentiny niala tao amin’i Kaiafa ho ao anaty lapa Jesosy; vao maraina ny andro tamin’izay; nefa tsy niditra tao anaty lapa ireo, fandrao ho voaloto satria hihinana ny Paska izy ireo. Ary nivoaka ho eo aminy teo ivelany i Pilato ka niteny hoe: Inona moa no iampanganareo io lehilahy io? Dia namaly ireo hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, tsy mba natolotray anao. Ary hoy i Pilato taminy: Entonareo Izy ka tsarao araka ny lalànanareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay dia tsy manam-pahefana hahafaty olona; izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesosy izay nolazainy ka nanambarany ny fomban’ny fahafatesana izay efa hiaretany. Niditra tao anaty lapa indray i Pilato, dia niantso an’i Jesosy ka niteny Taminy hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Dia novalin’i Jesosy hoe: Hevitrao ihany va no ilazanao izany sa nisy hafa nilaza Ahy taminao? Namaly i Pilato hoe: Moa Jiosy va aho? Ny firenenao sy ireo lehiben’ny mpisorona no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao? Hoy Jesosy hoe: Ny fanjakako dia tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa amin’izao fotoana izao tsy avy amin’izany ny fanjakako. Ary hoy i Pilato taminy: Mpanjaka ary va Ianao? Dia namaly Jesosy hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko. Hoy Pilato taminy: Inona ny marina? Rehefa avy nanontany izany izy dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka niteny taminy hoe: Tsy hitako izay helony na dia kely akory aza. Fa misy fomba fanaonareo amin’ny Paska dia ny hanafahako olona iray ho anareo; koa tianareo va raha hafahako ho anareo ny Mpanjakan’ny Jiosy? Nefa ireo niantso indray hoe: Tsy Ilehio, fa i Barabasy; kanefa i Barabasy dia jiolahy. Tamin’izay dia nalain’i Pilato i Jesosy ka nasainy nokapohina. Ary nandrandrana satroka tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany sady nampitafiany lamba volomparasy Izy, dia nanatona Azy ny miaramila ka niteny Taminy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy! Sady namely tehamaina Azy izy. Dia nivoaka nankeo ivelany indray i Pilato ka niteny tamin’izy ireo hoe: Indro, mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo aho mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony na dia kely akory aza. Ary navoaka avy tao Jesosy, misatroka tsilo sy mitafy lamba volomparasy. Dia hoy i Pilato tamin’ny vahoaka: Indro ny lehilahy! Rehefa hitan’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy dia niantso ireo hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy ka homboy amin’ny hazofijaliana; fa izaho anefa dia tsy mahita izay helony. Fa namaly azy ny Jiosy hoe: Izahay dia manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra. Nony ren’i Pilato izany teny izany dia vao mainka natahotra izy ka niditra tao an-dapa indray sady niteny tamin’i Jesosy hoe: Avy aiza moa Ianao? Nefa tsy namaly teny azy akory Jesosy. Dia hoy Pilato Taminy: Tsy miteny amiko va Ianao? Tsy fantatrao va fa manana fahefana hanafaka Anao aho sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa? Dia hoy Jesosy taminy: Tsy manana fahefana Amiko akory ianao raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. Hatreo dia nitady hanafaka Azy i Pilato; nefa niantsoantso ny Jiosy hoe: Raha afahanao io lehilahy io dia tsy mba sakaizan’i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara. Rehefa ren’i Pilato izany teny izany dia nitondra an’i Jesosy nivoaka avy tao izy ka nipetraka teo amin’ny seza fitsarana teo amin’ny toerana atao hoe Lampivato, na hoe Gabata amin’ny teny hebreo; andro fiomanana amin’ny Paska ny andro tamin’izay, tokony ho tamin’ny ora fahenina; dia hoy izy tamin’ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! Fa niantsoantso ireo hoe: Vonoy, vonoy, homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato tamin’izy ireo: Hohomboiko amin’ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo? Dia hoy ireo lehiben’ny mpisorona hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay. Ary tamin’izay i Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Dia noraisin’ireo Jesosy; ary Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka Taminy, iray avy teo an-daniny roa, fa Jesosy no teo afovoany. Ary nanoratra anarana i Pilato ka napetany teo amin’ny hazofijaliana. Izao no voasoratra: jesosy avy any nazareta, mpanjakan’ny jiosy. Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy maro, fa akaikin’ny tanàna ny toerana izay nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana; voasoratra tamin’ny teny hebreo sy romana ary grika izany soratra izany. Noho izany ireo lehiben’ny mpisorona tamin’ny Jiosy dia niteny tamin’i Pilato hoe: Aza soratana hoe: Mpanjakan’ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jiosy Aho. Fa hoy i Pilato hoe: Izay voasoratro dia voasoratro. Rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; nalainy koa ny akanjony; tsy nisy vitrana izany akanjony izany fa tenona iray ihany. Dia niresaka izy ireo hoe: Aza triarintsika ity fa aoka hanaovantsika antsapaka ny amin’izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Nozarainy ny fitafiako ary nanaovany antsapaka ny akanjoko» (Sal 22.18). Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila. Ary nijanona teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, i Maria, vadin’i Klopa, sy i Maria Magdalena. Nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany fa nijanona teo dia hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao! Hatramin’izay ora izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy i Maria. Taorianan’izany dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra mba hahatanteraka ny Soratra Masina ka hoy Izy: Mangetaheta Aho. Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra naraikiny tamin’ny hisopa ka nataon’ny miaramila tamin’ny vavan’i Jesosy. Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy dia niteny hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. Ary satria andro fiomanana ny andro dia nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ireo ka hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ny hazofijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ny iray koa izay niaraka nohomboina tamin’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana. Fa nony nankeo amin’i Jesosy izy dia hitany fa efa maty sahady Izy, koa tsy mba notapahiny ny ranjony. Nisy miaramila iray anefa nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy ra sy rano nandeha. Ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambaràny; ary fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa. Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany» (Eks 12.46; Sal 34.20). Hoy koa ny teny iray ao amin’ny Soratra Masina: «Hijery izay nolefoniny izy» (Zak 12.10). Taorianan’izany dia nangataka tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia mba hahazoany manaisotra ny fatin’i Jesosy. Mpianatr’i Jesosy i Josefa, nefa tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy. Nomen’i Pilato lalana izy. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’i Jesosy. Tonga koa i Nikodemosy, ilay nankao amin’i Jesosy tamin’ny alina tamin’ny voalohany, ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra. Dia noraisiny ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ny zavamanitra, araka ny fanaon’ny Jiosy, raha manamboatra faty halevina. Nisy saha teo amin’ilay nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana; ary teo anatin’ilay saha dia nisy fasana vaovao izay tsy mbola nandevenana olona. Tao no nandevenany an’i Jesosy noho ny andro fiomanan’ny Jiosy satria akaiky teo ny fasana. Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nandeha vao maraina mbola maizimaizina hankany amin’ny fasana i Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ny fasana. Dia nihazakazaka nankany amin’i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’i Jesosy izy ka niteny tamin’ireo hoe: Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, koa tsy fantatray izay nametrahany Azy. Dia nandeha i Petera sy ilay mpianatra iray ka nankany amin’ny fasana. Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra iray dia nihazakazaka nihoatra an’i Petera ka tonga taloha tao amin’ny fasana. Nony niondrika nitsirika izy dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy. Ary avy koa i Simona Petera nanaraka azy dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo, ary tsy mba nipetraka teo amin’ny lambam-paty ny lamba izay nafehy ny lohany fa voavalona mitokana. Tamin’izay dia niditra koa ilay mpianatra iray izay tonga taloha teo amin’ny fasana ary nahita ka nino. Tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy. Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy. Fa nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria; ary raha mbola nitomany izy dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny iray dia teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy ary ny iray dia teo an-tongotra. Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’olona ny Tompoko ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. Rehefa nilaza izany izy dia nitodika ka nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy Izy. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy Taminy: Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, fa izaho no haka Azy any. Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny Taminy tamin’ny teny hebreo hoe Rabonỳ! Izany hoe: Mpampianatra ô. Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo. Dia tonga i Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho sady izany teny izany no nolazainy tamiko. Nony harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo! Rehefa nilaza izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo. Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. Rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofonaina ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina; na helok’iza na helok’iza no avelanareo dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany. Fa i Tomasy, iray tamin’ny roa amby folo lahy, ilay antsoina hoe Kambana, dia tsy mba teo amin’izy ireo raha tonga Jesosy. Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy: Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny holatra navelan’ny fantsika ka atehiko eo amin’ny holatra navelan’ny fantsika ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako dia tsy mba hino aho. Nony afaka havaloana dia tafangona teo indray ny mpianany ary teo koa i Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany sady niteny hoe: Fiadanana ho anareo! Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsantananao ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino fa minoa. Dia namaly i Tomasy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita nefa mino. Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity; fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Taorianan’izany, dia niseho tamin’ny mpianatra indray Jesosy teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiasy. Toy izao no fomba nisehoany: Niaraka i Simona Petera sy i Tomasy, izay atao hoe Kambana, teo koa i Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa. Hoy i Simona Petera: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, nefa tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy ireo. Nony efa nazava ratsy ny andro dia nitsangana teo amoron-drano Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy. Dia hoy Jesosy tamin’izy ireo: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy izy ireo hoe: Tsia. Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ny sisiny havanan’ny sambokely ny haratonareo dia hahazo ianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra izay tian’i Jesosy tamin’i Petera: Ny Tompo irỳ. Vao ren’i Simona Petera fa ny Tompo iny dia nisikinany ny akanjo ivelany, fa tsy niakanjo izy, dia nirotsaka tao amin’ny rano izy. Fa ireo mpianatra sasany dia nandeha tamin’ny sambokely ihany ka nisarika ny harato feno hazandrano; satria tsy lavitra ny tany izy fa tokony ho roanjato hakiho ihany. Rehefa niakatra teo an-tanety izy ireo dia nahita afon’arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo. Hoy Jesosy taminy: Mitondrà hazandrano amin’ireo vao azonareo teo. Dia niakatra i Simona Petera ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimampolo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza ny hazandrano dia tsy triatra ny harato. Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Ary tonga Jesosy dia nandray ny mofo ka natolony azy, avy eo dia ny hazandrano indray. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Rehefa nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray Izy taminy fanindroany: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. Hoy Izy fanintelony: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo i Petera satria Izy niteny intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy Taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao dia nisikina ka nandeha tamin’izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao dia hanatsotra ny tananao ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’izay tsy tianao. Ary izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay hankalazany an’Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ilay mpianatra tian’i Jesosy, dia ilay niankina tamin’ny tratrany tamin’ny fisakafoanana ka niteny hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao? Rehefa nahita azy i Petera dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity? Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany? Fa ianao manaraha Ahy. Ary niely tamin’ny rahalahy ny resaka fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako haharitra izy mandra-piaviko, ahoanao izany? Izy no ilay mpianatra izay vavolombelon’izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambaràny. Misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy, koa raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza tsy omby ny boky voasoratra. Ry Teofilo, Ilay boky voalohany dia nosoratako momba izay natombok’i Jesosy natao sy nampianarina, hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa avy nodidiany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny. Niseho tamin’ireo tamin’ny famantarana maro koa Izy fa velona, taorianan’ny nijaliany; eny, niseho tamin’izy ireo nandritra ny efapolo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Raha niara-nisakafo tamin’izy ireo Jesosy dia namepetra azy tsy hiala tao Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray izay efa renareo tamiko, hoy Izy; fa i Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy. Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely? Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anjaranareo ny hahafantatra ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany irery ihany. Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany. Rehefa nilaza izany Jesosy dia nakarina, raha mbola nijery izy ireo; nisy rahona nitondra Azy ka tsy hitan’ny masony intsony Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy dia indreo, nisy roa lahy tonga teo anilany, niakanjo fotsy, ary niteny hoe: Ry lehilahy galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. Dia niverina nankany Jerosalema izy ireo rehefa avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva izay akaikin’i Jerosalema, halaviran-dalana azo aleha amin’ny Sabata. Rehefa tafiditra ny tanàna izy ireo dia niakatra ho any amin’ny efitra ambony rihana izay nipetrahany; i Petera, i Jaona, i Jakoba, i Andrea, i Filipo, i Tomasy, i Bartolomeo, i Matio, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona Zelota ary i Jodasy, zanak’i Jakoba no tao. Ireo rehetra ireo dia niray saina sady naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sy i Maria, renin’i Jesosy, ary ireo rahalahiny. Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo rahalahy i Petera; tokony ho roapolo amby zato no isan’ny olona vory teo tamin’izay ka hoy izy: Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ny Soratra Masina izay nampilazain’ny Fanahy Masina mialoha an’i Davida, ny amin’i Jodasy izay tonga mpitarika ireo olona nisambotra an’i Jesosy; izy iny dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’izao fanompoana izao koa. Ary izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy. Ary fantatr’izay rehetra monina eto Jerosalema izany, koa ny anaran’io saha io, amin’ny fitenin-dry zareo, dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-dra. Fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: «Aoka ho lao ny fonenany ary aoka tsy hisy olona honina ao.» (Sal 69.25) ary koa: «Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.» (Sal 109.8) Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika mandrakariva ireo, raha nifanerasera tamintsika Jesosy Tompo, nanomboka tamin’ny batisan’i Jaona ka hatramin’ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy iray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany. Ary nanokana roa lahy izy ireo, dia i Josefa, antsoina hoe Barsabasy, izay antsoina koa hoe Josto, sy i Matia. Dia nivavaka izy hoe: Ianao, Tompo ô, izay mahalala ny fon’ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’izy roa lahy ireto, mba hahazoany anjara amin’izao fanompoana sy ny maha apostoly izao, izay nialan’i Jodasy ho any amin’ny anjara toerany. Dia nanao antsapaka ho azy izy ireo ka nianjera tamin’i Matia ny antsapaka; ary izy izany no lany ho naman’ny apostoly iraika amby folo lahy. Nony tonga ny andro Pentekosta, dia teo amin’ny toerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara, ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona. Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy. Nisy Jiosy nonina tany Jerosalema; olona mpivavaka tsara avy tany amin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra izy ireo. Rehefa niely izany feo izany dia olona maro no vory sady very hevitra, satria samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy izy rehetra. Dia talanjona sady gaga izy ireo ka niteny hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? Koa ahoana no andrenesantsika azy amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika, isika izay Partiana, Mediana, Elamita, mponina any Mezopotamia, Jodia, Kapadokia, Ponto, Azia, Frigia, Pamfilia, Ejipta sy ny faritr’i Libia izay manodidina an’i Kirena, ary vahiny avy any Roma, Jiosy sy prozelita, Kretana, Arabo, koa ahoana no andrenesantsika azy ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra? Dia talanjona izy rehetra sady sahiran-tsaina ka nifampiresaka hoe: Inona no tokony ho hevitr’izany? Ny sasany kosa dia nihomehy sady niteny hoe: Mamon-divay mamy ireo. Nitsangana i Petera sy ny iraika amby folo lahy, dia nanandra-peo ka niteny tamin’izy ireo hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao ka henoy ny teniko: Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. Fa izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany hoe: «Amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handrotsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ny lahiantitrareo dia hanonofy; ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handrotsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany; hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho ary famantarana amin’ny tany ambany; dia ra sy afo ary setroka manjavona; ny masoandro dia hiova ho haizina, ary ny volana dia ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO, dia ilay sady lehibe no malaza; ary izay rehetra hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho voavonjy.» (Joe 3.1-5) Ry lehilahy Israelita, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, araka ny fantatrareo ihany, Izy dia natolotra noho ny fandaharana sy ny fahalalan’Andriamanitra mialoha, ary nohomboinareo sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny olona tsy tan-dalàna; nefa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy azon’izany nohazonina Izy. Fa i Davida dia milaza Azy hoe: «Nijery NY TOMPO teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; ny nofoko koa dia hitoetra amin’ny fanantenana; fa tsy ho foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy hamela Ilay Masinao ho tratry ny lo Ianao. Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao; hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao Ianao» (Sal 16.8-11). Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza marina aminareo ny amin’i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany. Satria mpaminany izy ka nahafantatra fa Andriamanitra efa nianiana taminy fa izay hateraky ny kibony no hapetrany eo ambonin’ny sezafiandrianany, koa raha nahita mialoha izy dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fitoeran’ny maty Izy, ary ny nofony dia tsy tratry ny lo. Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sady nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina izay nokasainy dia nandrotsaka izao hitanareo sy renareo izao. Fa tsy i Davida no niakatra tany an-danitra; satria hoy izy: «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao» (Sal 110.1). Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra tokoa fa iny Jesosy nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra Tompo sy Kristy. Raha nandre izany ny olona dia voatsindrona tao am-pony ka niteny tamin’i Petera sy ny apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? Hoy i Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina, satria ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’NY TOMPO Andriamanitsika hanatona Azy. Ary nanamafy izany izy sady nananatra azy ireo tamin’ny teny maro hafa koa hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity ianareo. Dia natao batisa ireo izay nandray tsara ny teniny ka tokony ho telo arivo ireo olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany. Ary izy ireo dia naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. Dia raiki-tahotra ny olona rehetra, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ny apostoly. Izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra; namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy. Niray saina isanandro izy ireo ka nazoto nankeo amin’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano sady nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-po; nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra izy. Ary nampitomboin’ny Tompo isanandro ny olom-bonjena ho isan’ireo. Niakatra ho eo amin’ny tempoly i Petera sy i Jaona tamin’ny fotoam-pivavahana tamin’ny ora fahasivy. Dia nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isanandro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra tao amin’ny tempoly; nony nahita an’i Petera sy i Jaona izay handeha hiditra ao amin’ny tempoly izy dia nangataka mba homena fiantrana. Nibanjina azy i Petera sy i Jaona ka niteny hoe: Mijere anay. Dia nijery tsara azy roa lahy izy satria nanantena hahazo zavatra taminy. Nefa hoy i Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangàna ka mandehana. Dia noraisiny tamin’ny tanany havanana Ralehilahy ka natsangany; ary natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra izy ka nijoro dia nandeha ka niara-niditra taminy nankao amin’ny tempoly; sady nandehandeha nitsambikimbikina izy no nidera an’Andriamanitra. Nahita azy nandehandeha sy nidera an’Andriamanitra ny olona rehetra. Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ny vavahady Itsaraendrika, eo amin’ny tempoly, mba hiantrana; dia gaga sady talanjona izy ireo noho ity zava-nitranga tamin-dRalehilahy. Raha mbola tsy niala teo amin’i Petera sy i Jaona izy dia niara-nirohotra ho eo amin’izy telo lahy teo amin’ny fialofana izay antsoina hoe Fialofan’i Solomona ny olona rehetra, sady talanjona. Rehefa nahita izany i Petera dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Israelita, nahoana ianareo no talanjona amin’izao zavatra izao? Ary nahoana ianareo no mandinika anay sahala amin’ny hoe herinay na fahamasinanay no nahatonga azy ho afa-mandeha? Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesosy Mpanompony, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, rehefa nokasainy halefa. Ianareo kosa dia nandà Ilay Masina sy Marina ka mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; fa ny Tompon’ny aina kosa novonoinareo; nefa Izy dia natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay. Ny finoana ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io, noho ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana feno izao teto imasonareo rehetra. Ankehitriny ary, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, ary toy izany koa ny mpanapaka anareo. Nefa izany no nahatanterahan’Andriamanitra ny zavatra nampilazainy mialoha tamin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hiaritra fahoriana ny Kristiny. Koa mibebaha ianareo ary miverena mba hamafana ny fahotanareo ka ho tonga ny fotoana famelombelomana anareo amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy noraisin’ny lanitra mandra-piavin’ny fotoana hamerenana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny taloha. Fa hoy i Mosesy: «Mpaminany no hatsangan’NY TOMPO Andriamanitra ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo. Fa izay rehetra tsy mihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona» (Deo 18.15, 19). Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’i Samoela sy ireo taorianany, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao. Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama hoe: «Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany» (Gen 22.18). Ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony ka nanirahany Azy mba hitahiana anareo amin’ny fialanareo tsirairay avy amin’ny faharatsianareo. Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka izy roa lahy dia indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo. Sosotra mantsy izy ireo noho ny nampianaran’ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ny alalan’i Jesosy ny fitsanganana amin’ny maty. Dia nisambotra azy ireo izy ka nampiditra azy tao an-tranomaizina mandra-paharain’ny andro, satria efa hariva ny andro tamin’izay. Kanefa maro tamin’izay nandre ny teny no nino ka efa tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Nony ampitso dia niangona tany Jerosalema ny mpitondra sy ny loholona ary ny mpanoradalàna mbamin’i Anasy mpisoronabe, i Kaiafa, i Jaona, i Aleksandra ary izay rehetra mety ho havan’ny Mpisoronabe. Rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izao zavatra izao? Dia feno ny Fanahy Masina i Petera ka nilaza taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, raha nadinina izahay androany ny amin’ny asa tsara natao tamin’ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana, kanefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, tamin’ny alalany no nitsanganan’io lehilahy sitrana io eto imasonareo. «Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano nefa tonga fehizoro» (Sal 118.22). Tsy misy famonjena avy amin’ny hafa na iza na iza; satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. Nony nahita ny fahasahian’i Petera sy i Jaona izy ireo sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy. Rehefa nijery ilay lehilahy izay efa sitrana nitsangana niaraka taminy izy dia tsy hitany izay havaliny. Dia nasainy niala teo amin’ny Sinedriona izy roa lahy, ary niara-nisaina ry zareo hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? Fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy ireo ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany ka tsy azontsika lavina. Kanefa mba tsy hielezan’izao amin’ny vahoaka intsony dia aoka horahonantsika izy ireo mba tsy hiteny amin’izany anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza. Dia niantso azy ireo izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy intsony. Fa i Petera sy i Jaona kosa dia namaly azy hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay dia tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. Rehefa norahonany indray izy ireo dia nalefany satria tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; fa izy rehetra dia nankalaza an’Andriamanitra noho ny amin’ny zava-nitranga. Efa mihoatra ny efapolo taona mantsy Ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nanasitrana azy izany. Rehefa nalefa izy roa lahy dia tonga teo amin’ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona taminy. Fa rehefa nandre izany izy ireo dia niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra hoe: Tompo ô! Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: «Nahoana no mitabataba ny Jentilisa ary misaina anoano foana ny firenena? Ireo mpanjakan’ny tany dia nitsangana, ary ny mpitondra dia niangona hanohitra NY TOMPO sy ny Mesiany» (Sal 2.1-2). Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Heroda sy i Pontio Pilato mbamin’ny Jentilisa sy ny firenena Israely mba hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy izay nohosoranao, mba hanao izay notendren’ny tananao aman-tsainao mialoha hatao. Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany, ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra, miaraka amin’ny anatsoranao ny tananao hanasitrana sy ny hanaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’i Jesosy, Mpanomponao Masina. Rehefa nivavaka izy ireo dia nihovotrovotra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana. Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany. Tamin’ny hery be no nanambaràn’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra. Fa tsy nisy olona nahantra teo aminy; ary izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo ka nametraka izany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy izany. Ary i Josefa izay nantsoin’ny apostoly koa hoe Barnabasy, izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana, levita avy any Sipra no firazanany, dia nivarotra ny sahany ka noentiny ny vola vidiny ary napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly. Nisy kosa lehilahy iray antsoina hoe Ananiasy sy i Safira vadiny nivarotra tany, kanefa nanafenany ny vola vidin’ny tany ary nifanarahany tamin’ny vavy izany; dia noentiny ary ny ampahan’ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly. Hoy anefa i Petera: Ry Ananiasy, nahoana i Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina ka hanafina ny ampahan’ny vola vidin’ny tany? Moa tsy anao va ny tany? Ary rehefa lafo izy, moa tsy mbola eo ambany fahefanao va? Koa nahoana no nisaina izao zavatra izao tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’olona ianao fa tamin’Andriamanitra. Nony nandre izany teny izany i Ananiasy dia niankarapoka ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra indrindra izay rehetra nandre izany. Ary nitsangana ireo zatovo dia nofonosiny ny faty ka noentiny nivoaka ny trano, dia naleviny. Tokony ho adiny telo taorianan’izay dia niditra koa ny vadiny, tsy nahalala izay zava-nitranga. Hoy i Petera taminy: Lazao amiko raha toy izao no vola vidin’ny taninareo. Dia hoy izy: Eny, toy izao tokoa. Dia hoy i Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ireo izay nandevina ny vadinao ary hitondra anao koa izy. Dia niankarapoka teo anoloan’ny tongony niaraka tamin’izay koa izy ka afaka ny ainy; ary raha niditra ireo zatovo ka nahita fa maty izy dia noentiny nivoaka ny trano ka naleviny teo anilan’ny vadiny izy. Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany. Tamin’ny tanan’ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ny vahoaka; ary izy rehetra dia niray saina teo amin’ny Fialofan’i Solomona. Tsy nisy sahy niaraka taminy ny olona sisa rehetra, nefa nankalaza azy ny vahoaka. Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy, izay nino ny Tompo, nanampy ho isany; noentiny teny an-dalambe koa aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Petera ahay rehefa mandalo izy. Dia tonga koa ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’i Jerosalema nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto; samy sitrana avokoa izy rehetra. Ary nitsangana ny Mpisoronabe mbamin’ny namany rehetra izay antokon’ny Sadoseo, fa feno fialonana izy, dia nisambotra ny Apostoly ka nampiditra azy tao an-tranomaizina. Nony alina anefa dia nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina ka nitondra azy nivoaka avy tao sady niteny hoe: Mandehana ka mitsangàna, ary torio amin’ny vahoaka eo amin’ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. Rehefa nandre izany izy ireo dia nandeha vao maraina nankany amin’ny tempoly ka nampianatra. Nony tonga ny Mpisoronabe sy ny namany dia namory ny Sinedriona sy ny loholona rehetra tamin’ny Zanak’Israely ka naniraka olona nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apostoly. Rehefa tonga anefa ny mpiambina dia tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina ka niverina nilaza hoe: Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina dia mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay ny trano dia tsy nahita olona tao izahay. Rehefa nandre izany teny izany ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ireo lehiben’ny mpisorona dia sahiran-tsaina ny amin’izay ho vokatr’izany. Dia nisy olona tonga ka nilaza tamin’izy ireo hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny dia indreo, mitsangana eo amin’ny tempoly ka mampianatra ny olona. Dia lasa ny lehiben’ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy ireo, nefa tsy nampiasa hery izy ireo, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato. Rehefa noentiny izy ireo dia nataony teo anatrehan’ny Sinedriona, ary nanontany azy ny Mpisoronabe hoe: Tsy efa noraranay mafy dia mafy va ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany? Kanefa indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo indray Jerosalema ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany. Namaly anefa i Petera sy ny Apostoly hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’i Jesosy, izay novonoin’ny tananareo tamin’ny nanantonanareo Azy teo amin’ny hazo. Izy dia nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ny Israely. Vavolombelon’izany zavatra izany izahay, ary ny Fanahy Masina koa, izay efa nomen’Andriamanitra izay manaiky Azy. Rehefa nandre izany ireo dia lotika ny fony ka nikasa hamono azy ireo izy. Dia nitsangana teo amin’ny Sinedriona ny Fariseo iray antsoina hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ny olona rehetra, ka nasainy navoaka kely ireo olona ireo. Dia hoy izy tamin’ny namany: Ry lehilahy Israely, tandremo tsara izay ataonareo amin’ireo olona ireo. Fa fahiny dia nitsangana i Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efajato no isan’ny lehilahy izay niandany taminy; nefa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ary tonga tsinontsinona. Nanarakaraka azy indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana i Jodasy avy any Galilia; nitaona olona hikomy hanaraka azy izy; dia novonoina koa ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy. Koa ankehitriny dia izao no lazaiko aminareo: Mandefera amin’ireo olona ireo ka avelao ihany izy; satria raha avy amin’olona izao saina na asa izao dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao dia tsy ho azonareo foanana, sao dia hita ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo. Dia nanaiky an’i Gamaliela izy ireo; koa rehefa niantso ny Apostoly izy dia nikapoka azy ireo sady nandrara azy tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony sady namela azy handeha. Dia niala tamim-pifaliana teo anatrehan’ny Sinedriona ny Apostoly, satria natao ho mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany. Ary isanandro, teo amin’ny tempoly sy tany an-trano, dia tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao mahafaly momba an’i Kristy Jesosy izy ireo. Tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nisy fimonomononan’ny Helenista tamin’ny Hebreo, satria tsy mba voajery tamin’ny fanampiana isanandro ny mpitondratenany. Ary nampiantso ny mpianatra rehetra ny roa amby folo lahy ka nilaza taminy hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’Andriamanitra mba hitandrina latabatra izahay. Koa araka izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany. Fa izahay kosa dia haharitra amin’ny fivavahana sy ny fampianarana. Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny ka nifidy an’i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, mbamin’i Filipo, i Prokoro, i Nikanora, i Timona, i Parmena ary i Nikoleo izay prozelita avy any Antiokia. Ireo no narosony teo anatrehan’ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ireo dia nametra-tanana taminy. Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro tokoa ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; maro tamin’ny mpisorona koa no nanaiky ny finoana. Ary i Stefana dia feno fahasoavana sy hery ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka. Fa nisy olona sasany avy amin’ny sinagoga antsoina hoe sinagogan’ny Olona afaka sy ny Kireniana ary ny Aleksandriana mbamin’izay avy any Kilikia sy Azia, niady hevitra tamin’i Stefana. Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany anefa ireo; koa nisy olona nomen’ireo vola mba hiteny hoe: Efa renay niteny ratsy an’i Mosesy sy Andriamanitra io. Nandrisika ny olona sy ny loholona ary ny mpanoradalàna koa izy ireo, dia nankeo amin’i Stefana ka nisambotra azy, sady nitondra azy ho eo amin’ny Sinedriona; ary izy ireo dia nanangana vavolombelona mandainga izay nilaza hoe: Io lehilahy io dia tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna; fa efa renay mihitsy izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity toerana ity sy hanova ireo fomba izay natolotr’i Mosesy antsika. Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ny Sinedriona, raha nandinika an’i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’anjely. Hoy ny Mpisoronabe: Moa izany tokoa va? Hoy i Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika raha tany Mezopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana, ka niteny taminy hoe: «Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ka mandehana ho any amin’ny tany izay hasehoko anao» (Gen 12.1). Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy dia nafindran’Andriamanitra niala teo hankaty amin’ny tany izay onenanareo ankehitriny izy. Tsy nomeny lova teto izy na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy fa homeny azy sy ny taranaka mandimby azy ho lovany izany na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy. Araka izany no nilazan’Andriamanitra fa «hivahiny any amin’ny tanin’ny firenena hafa ny taranany ary handevozin’ireo sy hampahoriny mandritra ny efajato taona. Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany dia hivoaka avy ao izy ka hanompo Ahy eto amin’ity tany ity» (Gen 15.13-14). Nomen’Andriamanitra azy koa ny fanekena ny amin’ny famorana. Dia niteraka an’Isaka i Abrahama ka namora azy tamin’ny andro fahavalo; ary Isaka dia niteraka an’i Jakoba, i Jakoba dia niteraka ny patriarka roa amby folo lahy. Ary ny patriarka dia nialona an’i Josefa ka nivarotra azy ho any Ejipta; nefa nomba azy Andriamanitra ka nahafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’i Farao, mpanjakan’i Ejipta; ary nanendry azy ho mpanapaka tany Ejipta sy tao an-dapany manontolo izy. Dia nisy mosary manerana an’i Ejipta sy Kanana rehetra ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika. Koa nony ren’i Jakoba fa nisy vary tany Ejipta dia naniraka ny razantsika izy tamin’ny voalohany. Tamin’ny fanindroany dia fantatr’izy mirahalahy avy i Josefa ary fantatr’i Farao koa ny havan’i Josefa. Ary naniraka nampiantso an’i Jakoba rainy mbamin’ny ankohonany rehetra i Josefa ka olona dimy amby fitopolo ry zareo. Ary nidina nankany Ejipta i Jakoba ary maty izy sy ny razantsika; ary noentina ho any Sekema ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hamora tany Sekema. Rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahan’ny teny fikasana izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Ejipta, mandra-pitsangan’ny mpanjaka hafa tany Ejipta, izay tsy nahalala an’i Josefa. Io mpanjaka io dia nanao hafetsena tamin’ny razantsika ka nampahory azy, dia samy nanary ny zanany vao teraka ireo mba tsy ho velona izy ireny. Tamin’izany andro izany no nahaterahan’i Mosesy, ary tsara teo anatrehan’Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon’ny rainy. Rehefa nariana izy dia nalain’ny zanakavavin’i Farao ka notezainy ho zanany. Dia nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejiptiana i Mosesy ary nahery tamin’ny teniny sy ny asany izy. Rehefa efapolo taona izy dia nitsiry tao am-pony ny fikasana hamangy ireo zanak’Israely rahalahiny. Raha nahita ny iray nampijaliana izy dia niaro azy sy namaly ka namono ilay Ejiptiana. Noheveriny fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tanany no hamonjen’Andriamanitra azy; kanjo tsy fantatr’izy ireo izany. Nony ampitson’iny dia niseho tamin’olona izay niady i Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka niteny hoe: Mpirahalahy ianareo, koa nahoana no miady? Fa ilay namely ny namany dia nanosika azy ka niteny hoe: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa ta hamono ahy koa va Ialahy tahaka ny namonoan’Ialahy ilay Ejiptiana omaly? Dia nandositra i Mosesy noho izany teny izany ka nivahiny tany amin’ny tany Midiana, izay niterahany zanaka roa lahy. Nony afaka efapolo taona dia nisy anjely niseho taminy tany an-tany efitry ny tendrombohitra Sinay, tao anaty lelafo teo amin’ny roimemy. Nony nahita izany i Mosesy dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy dia tonga ny feon’ny Tompo hoe: «Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba.» (Eks 3.6). Dia toran-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika. Ary hoy NY TOMPO taminy: «Esory ny kapa amin’ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io. Hitako tokoa ny fahorian’ny oloko any Ejipta ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa avia ankehitriny fa hirahiko ho any Ejipta ianao» (Eks 3.5-10). Izany Mosesy izany ilay nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? Izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ny tanan’ny anjely, ilay niseho taminy teo amin’ny roimemy. Izy no nitondra ny olona nivoaka avy tany sady nanao fahagagana sy famantarana tany Ejipta, teo amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-tany efitra nandritra ny efapolo taona. Izany no Mosesy ilay nilaza tamin’ny Zanak’Israely hoe: «Mpaminany no hatsangan’Andriamanitra ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, tahaka ahy» (Deo 18.15). Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-tany efitra niaraka tamin’ilay anjely izay niteny taminy sy tamin’ny razantsika tany an-tendrombohitra Sinay; nandray teny velona mba homena antsika izy. Nefa ny razantsika dia tsy nety nanaiky azy fa nandà, ary manina an’i Ejipta ny fony ka hoy izy tamin’i Arona: «Anaovy andriamanitra izahay hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta dia tsy fantatray izay nanjo azy.» (Eks 32.1). Dia nanao ombilahy kely izy tamin’izany andro izany ary nanolotra fanatitra tamin’ny sampy ka niravoravo tamin’ny asan’ny tanany. Fa Andriamanitra nihodina taminy dia namela azy hanompo ny kintan’ny lanitra, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: «Moa nanolotra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy nandritra ny efapolo taona tany an-tany efitra va ianareo, ry taranak’Israely? Tsia, fa nobatainareo ny tranolain’i Moloka sy ny kintan’i Refana andriamanitrareo, dia ny endri-javatra izay nataonareo mba hivavahana, koa hamindra anareo ho any ankoatra an’i Babilona Aho» (Amo 5.25-27). Ny tranolain’ny Vavolombelona dia teo amin’ny razantsika tany an-tany efitra, tahaka ny voatendrin’Ilay niteny tamin’i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany. Noraisin’ny razantsika izany ka noentiny niditra niaraka tamin’i Josoa tao amin’ny tanin’ny firenena izay noroahin’Andriamanitra hiala teo anoloan’ny razantsika hatramin’ny andron’i Davida; nahita fitia teo anatrehan’Andriamanitra i Davida ka nangataka hahita toerana ho an’ny tranon’i Jakoba. Fa i Solomona kosa no nanao trano ho Azy. Ny Avo Indrindra anefa tsy mitoetra ao amin’izay nataon-tanan’olona; araka ny nolazain’ny mpaminany hoe: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro; koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy NY TOMPO? Ary manao ahoana ny ho toerana fitsaharako? Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?» (Isa 66.1, 2) Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo dia manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa. Iza tamin’ny mpaminany no tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny aza ireo izay naminany ny fiavian’Ilay Marina, izay ianareo no tonga mpamadika sy mpamono Azy ankehitriny, dia ianareo izay olona nahazo ny lalàna tamin’ny nanoloran’ny anjely azy nefa tsy nankatò izany. Nony nandre izany izy ireo dia lotika ny fony ka nihidy vazana taminy izy. Nefa feno ny Fanahy Masina i Stefana ka nony nibanjina ny lanitra dia nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ka hoy izy: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’Olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. Ary niantsoantso mafy ny olona sady nanampin-tsofina no niara-nirohotra teo aminy, dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ary nitora-bato azy. Nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo iray antsoina hoe Saoly ireo vavolombelona. Ary ny olona dia nitora-bato an’i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Rehefa nilaza izany izy dia nodimandry. Ary i Saoly dia nankasitraka ny namonoana an’i Stefana. Tamin’izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny fiangonana tany Jerosalema ka niely teny amin’ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. Olona mpivavaka tsara no nandevina an’i Stefana sady nisaona azy fatratra. I Saoly kosa tamin’izany dia nampahory mafy ny fiangonana ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina. Ireo izay niely dia nandeha nitory ny teny dia ny Filazantsara. Nidina tany an-tanànan’i Samaria i Filipo ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao. Dia niray hevitra nihaino tsara izay nolazain’i Filipo ny vahoaka rehefa nandre azy sy nahita ny famantarana nataony. Fa maro tamin’ireo manana fanahy maloto no niantsoantso tamin’ny feo mahery rehefa niala izany; ary maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’izany tanàna izany. Nisy lehilahy iray antsoina hoe Simona izay efa tao an-tanàna, mpitahiry ody izy io ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nilaza ny tenany ho lehibe. Ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia nihaino azy ka niteny hoe: Ity lehilahy ity no herin’Andriamanitra izay antsoina hoe Hery lehibe. Nihaino azy tsara izy ireo, satria efa ela no talanjona tamin’ny ataony. Nefa rehefa nino an’i Filipo izay nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. Mba nino koa i Simona ka rehefa natao batisa izy dia nanaraka an’i Filipo. Ary talanjona izy raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao. Nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa efa nandray ny tenin’Andriamanitra i Samaria dia naniraka an’i Petera sy i Jaona izy ireo hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. Satria tsy mbola nisy nilatsahany izy ireo na dia iray akory aza, fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo ihany, dia nametra-tanana taminy izy roa lahy ary nandray ny Fanahy Masina ireo. Nony hitan’i Simona fa ny fametrahan’ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina dia nitondra vola homena azy izy sady niteny hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. Fa hoy i Petera taminy: Aoka ho very miaraka amin’ny tenanao ny volanao, satria noheverinao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra. Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany ianao satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra. Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao. Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny famatoran’ny heloka ihany ianao. Dia hoy i Simona: Mangataha amin’ny Tompo ho ahy, mba tsy hisy ho tonga amiko izay nolazainareo. Rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ny Tompo i Petera sy i Jaona dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny Filazantsara teny amin’ny vohitra maro izay an’ny Samaritana. Ary nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’i Filipo hoe: Mitsangàna ka mandehana mianatsimo ho any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza, any an-tany efitra. Dia nitsangana izy ka lasa nandeha, ary indro, nisy lehilahy etiopiana, tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana, izay mpitahiry ny harenany rehetra, tonga tany Jerosalema mba hivavaka; rehefa nody izy dia nipetraka tao anatin’ny kalesiny ary namaky teny tao amin’i Isaia mpaminany. Hoy ny Fanahy tamin’i Filipo: Mandehana manatona io kalesy io. Dia nihazakazaka nankeo aminy i Filipo ary nandre azy mamaky teny tao amin’ny mpaminany Isaia ka hoy izy taminy: Moa fantatrao va izay vakìnao? Hoy izy: Hataoko ahoana no fahay raha tsy misy mitari-dalana ahy? Dia nangataka an’i Filipo izy mba hiakatra sy hipetraka eo aminy. Ary izao no tenin’ny Soratra Masina novakiny: «Noentina hovonoina tahaka ny ondry Izy ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy; noho ny fietreny dia nalaina Taminy ny zony; ary iza no hahalaza ny amin’ny fianakaviany? Fa ny ainy dia nesorina tamin’ny tany» (Isa 53.7-8). Hoy ilay tandapa tamin’i Filipo: Miangavy anao aho, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va sa olon-kafa? Ary niloa-bava i Filipo ka nanomboka tamin’izany Soratra Masina izany dia nitory an’i Jesosy taminy. Nony nandeha teny an-dalana izy ireo dia tonga teo amin’izay nisy rano ka hoy ilay tandapa: Indro misy rano, koa inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? Hoy i Filipo: Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao dia azo atao ihany. Ary namaly izy hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra. Dia nasainy najanona ny kalesy; ary nidina ho eo amin’ny rano izy roa lahy, izany hoe i Filipo sy ilay tandapa; dia nataony batisa izy. Rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy dia noentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; dia nanohy ny diany izy sady faly. Tany Azota kosa avy eo no nahitana an’i Filipo ary nitory ny Filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra izay nalehany izy ambara-pahatongany tany Kaisaria. Mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo ihany i Saoly dia nankao amin’ny Mpisoronabe ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ny sinagoga any Damaskosy, mba hahazoany mitondra mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany fampianarana izany, na lahy na vavy. Raha nandeha izy ka tonga teo akaikin’i Damaskosy dia nisy mazava avy tany an-danitra nanelatselatra tampoka nanodidina azy; dia lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo niteny taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy izay enjehinao. Fa mitsangàna ka mankanesa any an-tanàna, dia holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao. Ary ny olona izay niara-dia taminy dia nijanona tsy nahateny; nandre ny feo izy ireo nefa tsy nahita na iza na iza. Dia nitsangana tamin’ny tany i Saoly, ary rehefa nahirany ny masony dia tsy nahita na inona na inona izy; koa nitantana azy izy ireo ka nitondra azy ho any Damaskosy. Nandritra ny telo andro dia tsy nahita izy sady tsy nihinana na nisotro. Ary nisy mpianatra iray antsoina hoe Ananiasy tany Damaskosy; ary hoy ny Tompo taminy tamin’ny fahitana: Ry Ananiasy! Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko! Hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Imahitsy ka jereo ao an-tranon’i Jodasy ny lehilahy antsoina hoe Saoly avy any Tarsosy; fa indro, efa mivavaka izy; efa nahita lehilahy antsoina hoe Ananiasy tamin’ny fahitana izy, izay niditra ka nametra-tanana taminy mba hahita indray ny masony. Dia namaly i Ananiasy hoe: Tompoko, efa reko tamin’ny maro ny haben’ny ratsy nataon’izany lehilahy izany tamin’ny olonao masina tany Jerosalema. Manana fahefana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona atỳ koa izy mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. Nefa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny Jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Israely izy; fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. Dia lasa i Ananiasy ka niditra tao an-trano ary nametra-tanana taminy sady niteny hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, no naniraka ahy mba hahitan’ny masonao ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. Niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony dia nahita indray izy ka nitsangana ary natao batisa; dia nisakafo izy ka natanjaka. Nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ny mpianatra tany Damaskosy i Saoly. Ary niaraka tamin’izay dia nitory teo amin’ny sinagoga izy ka nilaza fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Dia talanjona izay rehetra nandre ka niteny hoe: Tsy io va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? Ary moa tsy ny hitondra azy ireo mifatotra ho any amin’ireo lehiben’ny mpisorona va no nahatongavany atỳ? Nefa vao mainka nitombo hery i Saoly ka nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy izy ary naneho marina fa Jesosy no Kristy. Nony afaka andro maromaro dia niray saina hamono azy ny Jiosy; nefa fantatr’i Saoly ny teti-dratsiny. Niambina ny vavahady andro aman’alina izy ireo mba hamonoany azy. Nefa naka azy kosa ny mpianany nony alina ka nampidina azy tamin’ny sobika avy eo amin’ny manda. Rehefa tonga tany Jerosalema i Saoly dia nitady hiaraka tamin’ny mpianatra; nefa natahotra azy izy rehetra ka tsy nino azy ho mpianatra. Fa naka azy i Barnabasy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly, ary nanambara tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenany taminy ary ny nahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy. Dia niara-niditra sy nivoaka tamin’ireo tany Jerosalema izy sady nitory tamim-pahasahiana tamin’ny anaran’ny Tompo ary niresaka sy niady hevitra tamin’ireo Helenista izy, nefa ireo kosa dia nitady izay hahafaty azy. Nony fantatry ny rahalahy izany dia noentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy. Dia nandry fahalemana ny fiangonana manerana an’i Jodia sy i Galilia ary i Samaria ka sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo no nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina. Rehefa nandeha nitety ny faritra rehetra i Petera dia nidina ho any amin’ny olona masina nonina tany Lida koa. Nahita lehilahy iray teo izy, Enea no anarany, izay efa nandry nandritra ny valo taona teo am-parafara satria malemy. Hoy i Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandriananao. Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy. Rehefa nahita izany izay rehetra nonina tany Lida sy Saròna dia niverina ho amin’ny Tompo. Tany Jopa dia nisy vehivavy mpianatra iray antsoina hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany. Narary izy tamin’izany andro izany ka maty; ary rehefa nampandroina ny faty dia napetraka tao amin’ny efitrano iray ambony rihana. Satria akaiky an’i Jopa i Lida dia ren’ny mpianatra fa efa tonga tao i Petera, ary naniraka roa lahy izy hangataka aminy hoe: Aza misalasala hankaty aminay. Dia nitsangana i Petera ka nandeha niaraka tamin’ireo. Nony tonga izy dia noentiny tany an’efitra ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony. Navoakan’i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka niteny hoe: Ry Tabita, mitsangàna! Dia nahirany ny masony; ary rehefa nahita an’i Petera izy dia niarina. Nanolo-tanana azy i Petera ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy dia nanolotra azy velona. Fantatra manerana an’i Jopa izany ka maro no nino ny Tompo. Nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’i Simona mpandon-koditra i Petera. Nisy lehilahy iray tany Kaisaria, i Kornelio no anarany ary kapiteny tamin’ny antokon’ny miaramila antsoina hoe Italiana izy; mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra izy sy ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin’ny olona sady nivavaka mandrakariva tamin’Andriamanitra. Ary nahita miharihary tamin’ny fahitana izy, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahasivy antoandro, fa indro, nisy anjelin’Andriamanitra niditra tao an-tranony ka niteny taminy hoe: Ry Kornelio! Nony nibanjina azy izy dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Ahoana, Tompoko? Dia niteny taminy indray ilay anjely hoe: Ny vavaka ataonao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra. Koa ankehitriny, maniraha olona hankany Jopa ka ampanalao ny lehilahy iray atao hoe Simona izay antsoina koa hoe Petera; mitoetra ao amin’i Simona mpandon-koditra izy ary eo amoron-dranomasina ny tranony. Rehefa lasa ilay anjely izay niteny tamin’i Kornelio dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony sy miaramila mpivavaka iray isan’izay nanaraka azy isanandro izy. Rehefa nambarany taminy izany rehetra izany dia naniraka azy ireo hankany Jopa izy. Nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka efa teo akaiky ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ny tampon-trano i Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina. Noana izy ka te hisakafo; fa raha mbola nokarakaraina ny sakafo ho azy dia azon-tsindrimandry izy ka nahita ny lanitra misokatra sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany; tao anatin’izany dia nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voromanidina. Ary nisy feo niteny taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. Fa hoy i Petera: Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nihinana zavatra fady na tsy madio aho. Fa hoy indray ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. Ary intelo no nitrangan’izany; dia nakarina nankany an-danitra ilay zavatra nony avy eo. Raha mbola nieritreritra tao am-pony ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany i Petera dia indreo ireo olona nirahin’i Kornelio nanontany ny tranon’i Simona ka nijanona teo am-bavahady, dia niantso izy ireo ary nanontany raha ao no mipetraka i Simona izay antsoina koa hoe Petera. Raha mbola nieritreritra ilay fahitana i Petera dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; koa mitsangàna ianao dia midìna ary mandehana miaraka aminy ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy. Dia nidina tany amin’ireo olona ireo i Petera ka niteny hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ny ahatongavanareo atỳ? Dia hoy ireo: I Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’Andriamanitra ka tsara laza amin’ny firenen’ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao. Ary i Petera dia nampiantrano azy ireo handry tao. Nony ampitso dia niainga i Petera ka nandeha niaraka tamin’izy ireo, ary niaraka taminy koa ny rahalahy sasany avy tany Jopa. Dia tonga tany Kaisaria izy ny ampitson’iny. Efa niandry azy i Kornelio sady efa nampiantso ny havany sy ny namany akaiky. Raha vao niditra i Petera dia nitsena azy i Kornelio ka niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy. Nefa nampitsangana azy i Petera ka niteny hoe: Mitsangàna fa izaho dia olona ihany. Nony niresaka taminy izy dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao. Dia hoy izy taminy: Ianareo dia mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hifandray na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho dia efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. Noho izany dia tsy nandà ny hankaty aho rehefa nampiantsoana; koa manontany aho: Inona moa no nampiantsoanareo ahy? Hoy i Kornelio: Telo andro lasa izay, tamin’ny ora toy izao, raha nivavaka teto an-tranoko aho tamin’ny ora fahasivy, dia indro, nisy lehilahy niakanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako ka niteny hoe: Ry Kornelio, efa re ny vavaka ataonao ary efa tsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao. Koa maniraha hankany Jopa ka ampanalao i Simona izay antsoina koa hoe Petera; miantrano ao an-tranon’i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy. Niaraka tamin’izay dia nandefa olona tany aminao aho; ary tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, izahay rehetra dia efa eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino izay rehetra nampilazain’ny Tompo anao. Dia niloa-bava i Petera ka niteny hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany. Ianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Israely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay Tompon’izao rehetra izao, dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra taorianan’ny batisa izay notorin’i Jaona, dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra. Vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay; Izy dia novonoiny rehefa nahantony teo amin’ny hazo; nefa natsangan’Andriamanitra kosa tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marina, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay efa notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Ary nandidy anay Izy hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka. Raha mbola nilaza izany teny izany i Petera dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. Talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nirotsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Ary nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. Dia hoy i Petera: Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa azy ireto, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa va? Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy ireo. Ary nangatahin’ireo mba hijanona ao aminy andro vitsivitsy i Petera. Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny Jentilisa koa dia efa nandray ny tenin’Andriamanitra. Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Petera dia nila ady taminy ny mino izay isan’ny voafora ka nilaza hoe: Efa niantrano tany amin’ny olona tsy voafora ianao sady niara-nisakafo taminy. Dia nanomboka nitantara tamin’izy ireo hatramin’ny fiandohany i Petera hoe: Nivavaka tany an-tanànan’i Jopa aho, ary azon-tsindrimandry, dia nahita fahitana, koa indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra, toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra nankeo amiko; ary raha nijery sy nandinika izany aho dia hitako ny biby etỳ an-tany izay manan-tongotra efatra sy ny bibidia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voromanidina koa. Nandre feo koa aho niteny tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy ireo ka hano. Fa hoy aho: Sanatria, Tompoko! Tsy mbola niditra tamin’ny vavako izay zavatra fady na tsy madio. Ary nisy feo indray avy tany an-danitra nanao hoe: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. Intelo no nisehoan’izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray ireo rehetra ireo. Tamin’izay dia indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ny trano nipetrahanay, iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko. Nasain’ny Fanahy hiaraka tamin’ireo aho ka tsy hizaha tavan’olona na dia kely akory aza. Niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto ka niditra tao an-tranon-dRalehilahy izahay. Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka niteny hoe: Maniraha ho any Jopa ka ampanalao i Simona izay antsoina koa hoe Petera; izy no hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. Raha vao niteny aho dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. Dia nahatsiaro ny tenin’ny Tompo izay nolazainy aho hoe: I Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina. Koa raha mba nomen’Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’i Jesosy Kristy Tompo, dia iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra? Rehefa nandre izany ireo dia nitony sady nankalaza an’Andriamanitra hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny Jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. Ary izay niely noho ny fanenjehana an’i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Sipra ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’olona izy, afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany. Ny sasany tamin’ireny dia lehilahy avy any Sipra sy Kirena izay tonga tany Antiokia, niresaka tamin’ny Grika koa ary nitory an’i Jesosy Tompo. Ary ny tanan’ny Tompo nomba azy ireo ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo. Rehefa tonga tany an-tsofin’ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ireo dia naniraka an’i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia. Nony tonga tany izy dia nahita ny fahasoavan’Andriamanitra ka faly ary nananatra azy rehetra haharitra ao amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra. Lehilahy tsara fanahy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana mantsy izy; ary marobe ny olona nanampy ho an’ny Tompo. Dia lasa nankany Tarsosy i Barnabasy mba hitady an’i Saoly. Rehefa nahita azy izy dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ny fiangonana nandritra ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany niantsoana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana. Tamin’izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia. Nitsangana ny iray tamin’ireny, izay antsoina hoe Agabo; voatsindrin’ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be manerana ny tany rehetra. Tonga tokoa io tamin’ny andron’i Klaodio. Ary ny mpianatra dia nanapa-kevitra hampitondra zavatra araka ny ananany avy hamonjena ny rahalahy izay nonina tany Jodia. Dia nataony izany, ary ny tanan’i Barnabasy sy i Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ny loholona. Tamin’izany andro izany dia nanatsotra ny tanany hampahory ny sasany tamin’ny fiangonana i Heroda mpanjaka. Novonoiny tamin’ny sabatra i Jakoba, rahalahin’i Jaona. Rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany dia niroso hisambotra an’i Petera koa izy. Efa antomotra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’izay. Rehefa nosamboriny izy dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony hambenan’antoko-miaramila efatra izay nisy miaramila efatra avy; nikasa hamoaka azy ho eo amin’ny vahoaka mantsy izy rehefa afaka ny Paska. Dia nambenana tao an-tranomaizina i Petera; ary ny fiangonana dia nahery nangataka ho azy tamin’Andriamanitra. Nony efa hamoaka azy i Heroda dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa; ary nisy mpiambina teo am-baravarana niambina ny tranomaizina. Ary indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary nanohina ny tehezan’i Petera ilay anjely, dia namoha azy ka niteny hoe: Mitsangàna haingana. Dia niala tamin’ny tanany ny gadra. Hoy koa ilay anjely taminy: Misikìna ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy: Anaovy ny akanjonao ivelany ka manaraha ahy. Dia nivoaka nanaraka ilay anjely izy; ary tsy fantany ho tena nisy marina ny nataon’ny anjely; noheveriny fa fahitana no hitany. Rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba handehanany; nony tafavoaka izy ireo dia nandroso tamin’ny lalana iray; ary niaraka tamin’izay dia nandao azy ilay anjely. Rehefa nahatsiaro tena i Petera dia hoy izy: Fantatro marina tokoa ankehitriny fa ny Tompo no naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ny tanan’i Heroda sy izay rehetra nandrasan’ny Jiosy. Rehefa nahazo an-tsaina izany izy dia nankany amin’ny tranon’i Maria, renin’i Jaona, izay antsoina koa hoe Marka, ary nisy olona maro vory tao nivavaka. Ary raha nandondòna ny vavahady i Petera dia nisy mpanompovavy antsoina hoe Roda nankeo mba hihaino. Rehefa nahalala ny feon’i Petera izy dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa i Petera no mijoro ao am-bavahady. Dia hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Nefa nanizingizina izy fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany. Fa naharitra nandondòna ihany i Petera, ary rehefa novohan’izy ireo izy dia hitany ka talanjona ireo. Fa izy nibaiko tanana azy ireo mba hangina, dia nitantara taminy izay namoahan’ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina sady hoy izy: Ambarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala teo izy ka lasa nankany amin’ny toerana hafa. Rehefa nazava ny andro dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka niteny hoe: Nankaiza i Petera? Rehefa nitady azy fatratra i Heroda nefa tsy nahita dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria izy dia nijanona tany. Tezitra mafy tamin’ny Tiriana sy ny Sidoniana i Heroda; nefa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, koa rehefa nahazo an’i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany izy ireo, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny dia nivelona tamin’ny tanin’ny mpanjaka. Koa tamin’ny andro voatendry dia niakanjo fanamian’ny mpanjaka i Heroda ka nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany, ary nikabary tamin’ny vahoaka. Dia niantsoantso ny vahoaka hoe: Feon’Andriamanitra izany fa tsy an’olona! Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy; koa nohanin’ny kankana izy dia maty. Ary nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra. Niverina nankany Jerosalema i Barnabasy sy i Saoly rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’i Jaona izay antsoina koa hoe Marka, hiaraka aminy. Teo amin’ny fiangonana tany Antiokia dia nisy mpaminany sy mpampianatra: I Barnabasy, i Simeona izay antsoina koa hoe Nigera, i Losio kireniana, i Menahema izay niara-notezaina tamin’i Heroda mpanapaka ary i Saoly. Nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo ka tamin’izany no nitenenan’ny Fanahy Masina hoe: Atokàny ho Ahy i Barnabasy sy i Saoly mba hanao ny asa izay efa niantsoako azy. Rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy ireo dia nandefa azy. Nirahin’ny Fanahy Masina izy roa lahy, raha nidina nankany Seleokia ka teo no niondrana an-tsambo hankany Sipra. Nony tonga tany Salamisy izy dia nitory ny tenin’Andriamanitra tany amin’ny sinagogan’ny Jiosy; ary noentiny koa i Jaona ho mpanampy azy. Rehefa namakivaky ny nosy hatrany Pafo izy dia nahita Jiosy iray antsoina hoe Barjesosy, mpitahiry ody sady mpaminany sandoka, nipetraka tao amin’i Sergio Paolo; governoran’ny tany sady lehilahy marani-tsaina izy io; nampiantso an’i Barnabasy sy i Saoly hankao aminy izy satria naniry mba hahare ny tenin’Andriamanitra. Nefa i Elima, ilay mpitahiry ody, satria izany koa no anarany raha adika, dia nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. Fa i Saoly kosa, izay antsoina koa hoe Paoly, dia feno ny Fanahy Masina ka nibanjina azy sady niteny hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny hafetsena rehetra, Ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lalan’ny Tompo izay mahitsy va Ialahy? Ary indro, ankehitriny hamely an’Ialahy ny tanan’ny Tompo, dia ho jamba Ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia tonga taminy niaraka tamin’izay ny hajambana sy ny haizina ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy. Nony nahita izay zava-nitranga taminy ny governora dia nino sady talanjona tamin’ny fampianaran’ny Tompo. Niondrana an-tsambo niala avy tao Pafo i Paoly sy ireo namany dia tonga tany Perga any Pamfilia; i Jaona kosa dia nandao azy ka niverina nankany Jerosalema. Rehefa niala tany Perga izy ireo dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia ary niditra tao amin’ny sinagoga tamin’ny andro Sabata ka nipetraka teo. Rehefa vita ny famakiana ny Lalàna sy ny Mpaminany dia nampilaza taminy ireo lehiben’ny sinagoga hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ny olona dia ataovy. Ary nitsangana i Paoly sady nibaiko tanana azy ka niteny hoe: Ry lehilahy Israelita sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra, mihainoa: Andriamanitr’izao olona Israely izao no nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ny tany Ejipta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany. Niaritra ny toetran’ireo tany an-tany efitra nandritra ny efapolo taona Izy. Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanana Izy dia nampandovainy ny tanin’ireny izy tokony ho dimampolo sy efajato taona. Rehefa afaka izany dia nomeny mpitsara izy hatramin’i Samoela mpaminany. Taorianan’izany indray dia nangataka mpanjaka izy ka nomen’Andriamanitra azy nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanak’i Kisy, lehilahy avy tamin’ny fokon’i Benjamina. Rehefa nanaisotra an’i Saoly Izy dia nanandratra an’i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: «Nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra Aho» (1Sam 13.14; Sal 89.20). Avy tamin’ny taranak’izany lehilahy izany no nitondran’Andriamanitra an’i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Israely. Talohan’ny nahatongavany dia nitory ny batisan’ny fibebahana tamin’ny olon’ny Israely rehetra i Jaona. Ary rehefa nadiva hahatanteraka ny fihazakazahany i Jaona dia niteny hoe: Heverinareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa indro, misy Iray avy ao aorianako, koa izaho dia tsy mendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory. Ry rahalahy, taranak’i Abrahama, sy izay rehetra matahotra an’Andriamanitra eo aminareo, ho amintsika no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao. Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholona eo aminy dia tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ny mpaminany izay vakina isan-tSabata ka nahatanteraka izany tamin’ny nanamelohany Azy. Na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty dia nangataka tamin’i Pilato ihany izy mba hamonoana Azy. Nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’i Jesosy izy dia nanaisotra Azy teo amin’ny hazo ary nandevina Azy tao am-pasana. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty. Ary niseho nandritra ny andro maro tamin’izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema Izy ka ireo no vavolombelony eo anatrehan’ny olona ankehitriny. Mitory ny Filazantsara aminareo izahay, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ny razana, dia ny nahatanterahan’Andriamanitra izany tamintsika taranany, raha nanangana an’i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ny Salamo faharoa hoe: «Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7). Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty ka tsy hiverenany ho amin’ny fahalovana intsony, dia izao no voalazany: «Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida» (Isa 55.3). Fa hoy Izy ao amin’ny Salamo hafa koa: «Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny fahalovana Ianao» (Sal 16.10). Fa i Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodimandry ka nangonina any amin’ny razany izy ary tratry ny fahalovana; fa Izay natsangan’Andriamanitra no tsy mba tratry ny fahalovana. Koa aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; ary ao Aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy. Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza ao amin’ny Mpaminany hoe: «Jereonareo mpiavonavona, dia aoka ho gaga ka ho levona ianareo; fa Izaho manao asa amin’ny andronareo, dia asa izay tsy hinoanareo akory na dia hisy hilaza aminareo aza» (Hab 1.5). Nony niala teo izy dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany ny Sabata manaraka. Rehefa nirava ny fivoriana dia maro tamin’ny Jiosy sy ny prozelita izay nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabasy; ary izy ireo dia niresaka taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Nony tonga ny Sabata manaraka dia saika tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Fa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’i Paoly sady niteny ratsy. Dia niteny tamin’ny fahasahiana i Paoly sy i Barnabasy hoe: Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra mialoha; nefa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy mendrika hahazo fiainana mandrakizay dia indro, mitodika any amin’ny Jentilisa izahay; fa izao no nandidian’ny Tompo anay: «Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny Jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany ianao» (Isa 49.6). Rehefa nandre izany ny Jentilisa dia faly ka nankalaza ny tenin’ny Tompo; ary izay voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia nino. Koa ny tenin’ny Tompo dia niely manerana izany tany rehetra izany. Fa nandrisika ny vehivavy manankaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna ny Jiosy, dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabasy ireny ary nandroaka azy niala tamin’ny taniny. Fa izy roa lahy kosa dia nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma. Dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra. Nony tany Ikonioma i Paoly sy i Barnabasy dia niara-niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy izy ireo ka nitoriteny tao, ary olona betsaka no nino, na Jiosy na Grika. Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nandrisika sy nanome sain-dratsy ny Jentilisa hanohitra ny rahalahy. Nijanona naharitra tao anefa izy ireo ary nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, izay nanome vavolombelona hanamarina ny tenin’ny fahasoavany ka nampanao famantarana sy fahagagana tamin’ny tanan’izy ireo. Dia nisara-tsaina ny vahoaka tao an-tanàna, ny sasany nomba ny Jiosy fa ny sasany kosa dia nomba ny Apostoly. Niray tetika ny Jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ny loholony hampijaly sy hitora-bato azy ireo, koa rehefa fantatr’izy ireo izany dia nandositra nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaonia, sy tany amin’ny manodidina izy, ary tany no nitorian’izy ireo ny Filazantsara. Nisy lehilahy iray nipetraka tany Listra, nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra; nahare an’i Paoly nitoriteny izy; ary nony nibanjina azy mafy i Paoly ka nahita fa nanam-pinoana hositranina izy dia niteny tamin’ny feo mahery hoe: Mitsangàna ary mijoroa amin’ny tongotrao. Dia nitsambikina Ralehilahy ka nandehandeha. Nony hitan’ny vahoaka izay zavatra nataon’i Paoly izay dia nanandratra ny feony izy ka niteny tamin’ny fitenin’ny Likaoniana hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endriky ny olona! Koa ny anaran’i Barnabasy dia nataony hoe Jopitera, ary i Paoly kosa dia Merkiora, satria izy no mpitondra teny. Niaraka tamin’ny vahoaka teo koa ilay mpisoron’i Jopitera teo anoloan’ny tanàna ka nitondra ombilahy voaravaka voninkazo ho eo am-bavahady izy ary nikasa hanao fanatitra. Fa nony nahare izany i Barnabasy sy i Paoly, apostoly, dia nandriatra ny fitafiany ka niantoraka nankeo afovoan’ny olona sady niantso hoe: Tompokolahy, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny Filazantsara aminareo mba hialanareo amin’izao zava-poana izao ka hanatonanareo an’Andriamanitra velona izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny. Izy dia namela ny firenena rehetra nandeha tamin’ny lalana tiany naleha tamin’ny andro lasa. Nefa Izy tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona tamin’ny fanaovany soa: Mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo Izy sady manome taon-jina ka mahavoky anareo amin’ny hanina ary mahafeno fifaliana ny fonareo. Nefa na dia nilaza izany aza izy dia saika tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy. Nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna satria noheveriny fa efa maty izy. Nefa nony nanodidina azy ny mpianatra dia nitsangana izy ka nankao an-tanàna. Nony ampitso dia niala tao izy sy i Barnabasy ka nankany Derbe. Rehefa nitory ny Filazantsara tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro dia niverina nankany Listra sy Ikonioma ary Antiokia indray, nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanendry loholona ho azy ireo teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ary nanolotra azy ho an’ny Tompo izay efa ninoany. Rehefa nandeha namakivaky an’i Pisidia izy dia tonga tany Pamfilia. Nony avy nitory ny teny tany Perga izy dia nidina nankany Atalia. Avy eo izy dia niondrana an-tsambo hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mba hanao ny asa izay efa novitainy. Rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny niarahany taminy sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentilisa. Dia nijanona elaela ihany teo amin’ireo mpianatra izy. Nisy olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny fanaon’i Mosesy ianareo dia tsy azo vonjena. Rehefa nifandìtra sy niady hevitra be ihany tamin’ireo i Paoly sy i Barnabasy dia nifanarahana ny hiakaran’izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona mba hanadina ny amin’izany zavatra niadian-kevitra izany. Namatsy azy tamin’izay nilainy ny fiangonana, dia nandeha namakivaky an’i Foinika sy Samaria izy ka nitantara ny niovan’ny Jentilisa; ary nahafaly ny rahalahy rehetra tokoa izany. Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo dia noraisin’ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona ka nilaza izay rehetra efa nataon’Andriamanitra tamin’ny niarahany taminy. Fa ny mino sasany izay isan’ny antokon’ny Fariseo kosa dia nitsangana ka niteny hoe: Tsy maintsy foràna ireny ka asaina mitandrina ny lalànan’i Mosesy. Dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba handinika izany zavatra izany. Rehefa nafana ny adihevitra dia nitsangana i Petera ka niteny taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ny ela Andriamanitra no nifidy teo aminareo fa avy amin’ny vavako no handrenesan’ny Jentilisa ny tenin’ny Filazantsara ka hinoany. Koa Andriamanitra izay mahalala ny fo dia vavolombelony tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa, satria tsy nataony misy hafa isika sy izy fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony. Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’Andriamanitra amin’ny fametrahanareo zioga amin’ny vozon’ny mpianatra, zioga izay tsy zakan’ny razantsika na isika hoentina? Kanefa mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka izany ihany koa ny amin’izy ireo. Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’i Barnabasy sy i Paoly izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny Jentilisa. Rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy dia hoy i Jakoba: Ry rahalahy, mihainoa ahy! I Simeona dia efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny Jentilisa hatramin’ny voalohany mba handraisany firenena iray ho an’ny anarany. Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe: «Rehefa afaka izany dia hiverina Aho ka hanangana indray ny tranolain’i Davida izay efa nianjera; ary hanangana indray izay efa rava ao Aho ka hanamboatra azy indray mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny Jentilisa rehetra izay efa niantsoana ny anarako, hoy NY TOMPO izay manao izany zavatra izany, izay fantatra hatramin’ny voalohany indrindra» (Amo 9.11-12). Koa izao no hevitro: Tsy mety ny hanomezantsika fahasahiranana ireo avy amin’ny Jentilisa izay miverina ho amin’Andriamanitra; fa aoka hanoratra epistily ho azy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ny sampy sy ny fijangajangana ary ny biby nokendaina sy ny ra. Fa hatramin’ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ny isan-tanàna i Mosesy ary vakina ao amin’ny sinagoga rehetra isan-tSabata ny teniny. Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ny fiangonana manontolo ny hifidy olona avy amin’izy ireo hirahina hiaraka amin’i Paoly sy i Barnabasy hankany Antiokia, koa i Joda izay antsoina hoe Barsabasy sy i Silasy, samy mpitarika teo amin’ny rahalahy, no voafidy; dia nanoratra izao taratasy izao izy hoentin’ireo: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona dia miarahaba ny rahalahy avy amin’ny Jentilisa any Antiokia sy Siria ary Kilikia. Satria efa renay fa ny sasany izay avy tatỳ aminay dia tonga ka nitondra teny nampitabataba anareo ka nampikorontana ny sainareo, kanefa tsy nampanao izany izahay, dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra izahay, ny hifidy olona hirahina hankaty aminareo hiaraka amin’i Barnabasy sy i Paoly malalanay, lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa nirahinay i Joda sy i Silasy hilaza am-bava aminareo izao hafatra izao koa. Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: Ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy, ny ra, ny biby kendaina ary ny fijangajangana; hahasoa anareo raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo. Veloma. Rehefa nalefany izy ireo dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy dia natolony ilay epistily. Novakina izany ary nifaly tamin’ny fananarana tao ny olona. Koa satria mpaminany i Joda sy i Silasy, dia nananatra ny rahalahy tamin’ny teny maro izy sady nampahery azy. Ary rehefa nijanona elaela teo izy ireo dia nampandehanin’ny rahalahy soa amantsara hiverina any amin’izay naniraka azy. Nefa mbola satrin’i Silasy nijanona teo. Fa i Paoly sy i Barnabasy kosa dia nipetraka tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin’ny Tompo niaraka tamin’ny maro hafa koa izy roa lahy. Rehefa afaka andro vitsivitsy dia hoy i Paoly tamin’i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo mba hahafantarantsika ny momba azy. Te hitondra an’i Jaona izay antsoina hoe Marka, hiaraka aminy i Barnabasy; nefa noheverin’i Paoly fa tsy tokony hoentiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfilia ka tsy niaraka taminy nanao ny raharaha. Dia nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary nitondra an’i Marka i Barnabasy ary niondrana an-tsambo nankany Sipra. Fa nifidy an’i Silasy kosa i Paoly, dia niainga rehefa natolotry ny rahalahy ho amin’ny fahasoavan’ny Tompo izy. Dia nandeha namakivaky an’i Siria sy Kilikia izy ka nampahery ny fiangonana tany. Tonga tany Derbe sy Listra koa izy; ary indro, nisy mpianatra iray tao antsoina hoe Timoty, zanaky ny vehivavy jiosy izay nino, fa grika kosa ny rainy; tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Listra sy Ikonioma izy. Tian’i Paoly hoentina miaraka aminy izy ka nalainy ary noforàny noho ny Jiosy tany amin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa Grika rainy. Nony nandeha nitety ny tanàna tao izy dia natolony hotandreman’ny olona ireo didy navoakan’ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. Ary nihanahery ara-pinoana ireo fiangonana sady nihamaro isanandro. Ary nandeha namakivaky ny faritany Frigia sy Galatia izy rehefa noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Azia, rehefa tonga tany an-tsisin’i Misia izy, dia nitady hankany Bitinia, nefa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesosy. Dia nanamorona an’i Misia izy ka nidina nankany Troasy. Nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’i Paoly. Nisy lehilahy makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia ka vonjeo izahay! Rehefa nahita ny fahitana izy dia nitady handeha avy hatrany hankany Makedonia izahay, satria noheverinay fa Andriamanitra no niantso anay hitory ny Filazantsara amin’ny olona any. Nony niondrana an-tsambo niala tao Troasy izahay dia nizotra nankany Samotrakia ary nony ampitso dia nankany Neapolisy. Rehefa niala teo izahay dia nankany Filipia, izay tanàna voalohany amin’izany zaratanin’i Makedonia izany sady zanatany romana; ary nipetraka tao amin’izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. Tamin’ny andro Sabata dia nankeo ivelan’ny vavahady teo amoron’ny ony izahay satria noheverinay fa nisy toerana fivavahana teo; dia nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ny vehivavy vory teo. Ary nisy vehivavy antsoina hoe Lidia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanànan’i Tiatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra. Nihaino izy ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly. Rehefa natao batisa Ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nangataka izy hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho dia mandrosoa ao an-tranoko ka mipetraha ao. Dia naharesy lahatra anay izy. Raha nandeha ho any amin’ilay toerana fivavahana izahay dia nisy mpanompovavy iray nanana fanahy ratsy milaza ny ho avin’ny olona, nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ny tompony harena be. Nanaraka an’i Paoly sy izahay izy ka niantsoantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra izay manoro lalam-pamonjena ho anareo. Nandritra ny andro maro no nanaovany izany. Ary sosotra i Paoly, dia nitodika taminy ka niteny tamin’ilay fanahy hoe: Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hiala aminy. Dia niala tamin’izany ora izany indrindra ny fanahy ratsy. Nony hitan’ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena dia nisambotra an’i Paoly sy i Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ireo lehibe; ary rehefa noentiny tany amin’ireo governora izy roa lahy dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy ireto dia mampitabataba ny tanànantsika loatra; Jiosy izy ireo ka mampianatra fanao tsy azontsika horaisina na hatao amin’ny maha Romana antsika. Dia niara-nitsangana hamely azy ireo ny vahoaka; ary ireo governora dia nanaisotra ny akanjony ka nasainy nokapohina tamin’ny hazo izy ireo. Nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina. Rehefa nahazo teny toy izany Ralehilahy dia nataony tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra izy roa lahy ary ny tongony dia nobolokiny mafy tamin’ny boloky hazo. Nony nisasaka ny alina dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy ka nihaino azy ny mpifatotra. Dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy avy tampoka ka nihozongozona ny fototry ny tranomaizina; ary nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra sady nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra. Taitra ny mpiandry tranomaizina ary nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saika hamono tena satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. Nefa niantso mafy i Paoly hoe: Aza mamono tena fa ato ihany izahay rehetra. Ary nangataka jiro izy dia niditra sady toran-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’i Paoly sy i Silasy. Rehefa noentiny nivoaka izy roa lahy dia hoy izy: Tompoko, inona no tokony hataoko mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. Dia nitory ny tenin’ny Tompo taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony izy roa lahy. Ary nandray azy roa lahy tamin’izany ora amin’ny alina izany izy ka nanasa ny dian-kapoka taminy; dia natao batisa avy hatrany izy mbamin’ny ankohonany rehetra. Rehefa noentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy dia norosoany sakafo teo anoloany ary nifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony satria efa nino an’Andriamanitra. Nony maraina ny andro dia naniraka ny mpitan-defona ireo governora ka niteny hoe: Alefaso ireo olona ireo. Ary ny mpiandry tranomaizina nitatitra izany teny izany tamin’i Paoly hoe: Naniraka handefa anareo ireo governora, koa ankehitriny, mialà eto ianareo ka mandehana amin’ny fiadanana. Fa hoy i Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ny miharihary izahay na dia Romana aza ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny, moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ireo ihany no hankaty hamoaka anay. Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin’ireo governora; dia natahotra izy ireo raha nahare fa Romana izy roa lahy. Dia tonga izy ka nampitony azy ireo sady namoaka azy ary niangavy azy mba handeha hiala ny tanàna. Dia niala tao an-tranomaizina izy roa lahy ka niditra tao an-tranon’i Lidia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy dia nampahery azy ary lasa nandeha. Rehefa avy namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia izy ireo dia tonga tao Tesalonika ary nisy sinagogan’ny Jiosy tao. Dia niditra tao tahaka ny fanaony i Paoly; nandritra ny Sabata telo no niadiany hevitra tamin’ny olona tao, avy amin’ny Soratra Masina. Nanambara izy ka naneho marina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy; ary Jesosy izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. Ny sasany tamin’ireo dia nino ka nanampy ho isan’ny mpianatr’i Paoly sy i Silasy, mbamin’ny Grika marobe izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy nanan-kaja. Nialona anefa ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, nampitabataba ny tanàna ka nanao fahirano ny tranon’i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho eo amin’ny olona. Rehefa tsy nahita azy roa lahy izy dia nisarika an’i Jasona sy ny rahalahy sasany ho eo amin’ny lehiben’ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo; nampiantranoin’i Jasona izy ireo, nefa izy rehetra ireo dia manohitra ny didin’i Kaisara satria milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy. Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben’ny tanàna raha nahare izany. Koa rehefa naharay antoka tamin’i Jasona sy ny sasany teo aminy izy ireo dia navelany handeha izy roa lahy. Niaraka tamin’izay dia nampandehanin’ny rahalahy iny alina iny ihany hankany Beria i Paoly sy i Silasy ka rehefa tonga tany izy ireo dia niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy. Tsara noho ny tao Tesalonika ny toe-panahin’ireo satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra izy ka nandinika ny Soratra Masina isanandro sady nanadihady ny fahamarinan’izay reny. Koa maro tamin’izy ireo no nino ary tsy vitsy ny vehivavy grika nanan-kaja sy ny lehilahy. Nony ren’ny Jiosy tany Tesalonika anefa fa nitory ny tenin’Andriamanitra tany Beria i Paoly dia nankany koa izy ireo ka nampikitrana sy nampitabataba ny vahoaka. Ary niaraka tamin’izay dia nasain’ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina i Paoly; fa i Silasy sy i Timoty kosa mbola nijanona teo ihany. Ireo izay nanatitra an’i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena; nomen’i Paoly teny holazainy amin’i Silasy sy i Timoty izy ireo mba hankanesan’izy roa lahy haingana any aminy, vao lasa nandeha. Raha niandry azy tany Atena i Paoly dia nangitakitaka ny fanahiny nahita ny tanàna feno sampy. Dia niady hevitra tamin’ny Jiosy sy ny prozelita tao amin’ny sinagoga sy tamin’izay tafavory tany an-tsena isanandro izy. Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika dia nanohitra azy koa ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Hoy indray ny sasany: Toa mitory andriamanitra vaovao izy satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notorin’i Paoly. Ary naka azy izy ireo dia nitondra azy ho any amin’ny Areopago ka niteny hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany va izahay? Mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’izany zavatra izany. Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nonina teo dia tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao. Dia nitsangana teo afovoan’ny Areopago i Paoly ka nanambara hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako amin’ny zavatra rehetra fa fatra-pivavaka tokoa ianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo dia nahita alitara iray misy izao soratra izao: Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, dia Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy izay eo aminy rehetra; Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana sady tsy mba tompoin’ny tanan’olona toy ny hoe mila zavatra Izy, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra; ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra ary efa notendreny ny fotoanandro sy ny faritry ny fonenany mba hitady an’Andriamanitra izy, raha toa ka mba hahatsapa sy hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. Koa satria terak’Andriamanitra isika dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona. Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana, fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny; koa nanome antoka hampino ny olona rehetra Izy tamin’ny nananganany an’i Jesosy tamin’ny maty. Rehefa nahare ny amin’ny fitsanganan’ny maty izy ireo dia nihomehy ny sasany; fa ny sasany kosa dia niteny hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany. Dia niala teo amin’izy ireo i Paoly. Fa ny olona sasany dia niaraka taminy ary nanjary nino; anisan’izany i Dionisio ilay Areopagita sy vehivavy iray antsoina hoe Damary ary ny hafa koa. Taorianan’izany dia niala tany Atena i Paoly ka nankany Korinto. Nahita Jiosy iray antsoina hoe Akoila avy any Ponto, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin’i Prisila vadiny izy; i Klaodio mantsy dia efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma; dia nankao amin’izy mivady i Paoly. Koa satria nitovy raharaha taminy izy ireo, dia nipetraka tao aminy i Paoly ka niasa satria mpanao tranolay no raharahan’izy mivady. Niady hevitra isan-tSabata tao amin’ny sinagoga i Paoly ka nandresy lahatra ny Jiosy sy ny Grika. Rehefa tafidina avy tany Makedonia i Silasy sy i Timoty dia nanokan-tena ho amin’ny teny i Paoly ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. Nony nanohitra sy niteny ratsy ireo dia nanopakopa-damba izy ka niteny taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; amin’izao sisa izao dia hankany amin’ny Jentilisa aho. Rehefa niala teo izy dia niditra tao an-tranon’ny lehilahy antsoina hoe Titosy Josto izay nivavaka tamin’Andriamanitra; ary ny tranony dia teo akaikin’ny sinagoga. I Krispo, lehiben’ny sinagoga mbamin’ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; maro koa ny Korintiana, raha nandre, no nino ka natao batisa. Ary niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana ny Tompo nony alina hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany ka aza mangina; fa Izaho momba anao ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho. Naharitra herintaona sy enim-bolana teo izy ary nampianatra ny tenin’Andriamanitra teo aminy. Fony i Galiona governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an’i Paoly ny Jiosy ary nitondra azy nankeo amin’ny fitsarana ka nilaza hoe: Ilehio dia mampanaiky ny olona hivavaka amin’Andriamanitra nefa tsy araka ny lalàna. Ary raha iny handray fitenenana iny i Paoly dia hoy i Galiona tamin’ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka na zavatra ratsy natao dia ho niaritra nihaino ny teninareo aho; fa raha adihevitra momba ny teny sy ny anaran’olona ary ny lalànanareo kosa dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te hitsara izany raharaha izany. Ary nandroaka azy hiala teo anoloan’ny fitsarana izy. Dia nisambotra an’i Sostena lehiben’ny sinagoga izy rehetra ka nikapoka azy teo anoloan’ny fitsarana. Nefa tsy nahoan’i Galiona izany zavatra izany. Mbola nijanona teo andro maromaro ihany i Paoly, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy dia niondrana an-tsambo nankany Siria; niaraka taminy koa i Prisila sy i Akoila; dia nohetezany tany Kenkrea ny volony satria efa nivoady izy. Rehefa tonga tany Efesosy izy ireo dia nandao azy teo i Paoly ka lasa niditra tao amin’ny sinagoga ary niady hevitra tamin’ny Jiosy. Dia nangataka azy hijanona elaela kokoa ny olona nefa tsy nety izy, fa nanao veloma azy hoe: Mbola hiverina hankaty aminareo indray aho raha sitrapon’Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy. Rehefa tafatody tany Kaisaria izy dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia. Rehefa elaela ihany no nijanonany tao dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frigia izy ka nampahery ny mpianatra rehetra. Tonga tany Efesosy ny Jiosy iray antsoina hoe Apolosy izay avy any Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady tena mahay Soratra Masina. Izany lehilahy izany dia efa nampianarina ny lalan’ny Tompo; ary nafana fo ka niteny sy nampianatra marina ny amin’i Jesosy izy, saingy ny batisan’i Jaona ihany no fantany. Nanomboka niteny tamin’ny fahasahiana teo amin’ny sinagoga izy, koa rehefa nandre azy i Prisila sy i Akoila dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny lalànan’Andriamanitra. Naniry handroso hankany Akaia izy ka nampirisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga tany izy dia nanampy be dia be ireo izay efa nino noho ny fahasoavana, fa izy dia nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ny olona ka naneho marimarina tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy. Raha mbola tany Korinto i Apolosy dia nitety ny faritany ambony kosa i Paoly ka tonga tany Efesosy; nahita mpianatra sasany teo izy ka niteny tamin’izy ireo hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina fony vao nino ianareo? Fa hoy ireo taminy: Tsy mbola renay akory ny amin’izany Fanahy Masina izany. Dia hoy i Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’i Jaona. Fa hoy i Paoly: I Jaona dia nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. Rehefa nahare izany ireo dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo. Rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy dia tonga taminy ny Fanahy Masina ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy sady naminany. Ary tokony ho roa amby folo lahy no isan’izy rehetra. Ary nankany amin’ny sinagoga i Paoly ka niteny tamin’ny fahasahiana, niady hevitra nandritra ny telo volana tao izy ka nampanaiky ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nefa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ny olona maro dia niala teo amin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana ary niady hevitra isanandro tao amin’ny trano fampianaran’i Tirano. Naharitra roa taona ngarangidina izany ka nandre ny tenin’ny Tompo izay rehetra nonina tany Azia, na Jiosy na Grika. Ny tanan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitra zava-dehibe maro mampitolagaga, koa na dia ny mosara sy ny aron’akanjo izay nikasika ny tenany aza no noentina hatao amin’ny marary dia sitrana ny aretiny ary niala ny fanahy ratsy. Ary nisy Jiosy sasany, mpivezivezy mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ny manana fanahy ratsy ka niteny hoe: Mampianiana anareo amin’i Jesosy izay torin’i Paoly aho. Nisy fito mirahalahy, zanak’i Skeva, lehiben’ny mpisorona jiosy iray nanao izany. Ary ny fanahy ratsy dia namaly azy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa i Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? Ary ilay lehilahy nanana ny fanahy ratsy dia niantoraka tamin’ireo ary nahery izy ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra. Dia fantatry ny Jiosy sy ny Grika rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’i Jesosy Tompo. Maro tamin’ireo izay nino no tonga ka niaiky sy nilaza ny fanao ratsiny. Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany. Araka izany dia nitombo sy nandroso ny teny noho ny herin’ny Tompo. Rehefa vita izany rehetra izany dia nikasa tao am-pony handeha hitety an’i Makedonia sy i Akaia aloha i Paoly vao hankany Jerosalema ka hoy izy: Rehefa tonga any aho dia tsy maintsy mahita an’i Roma koa. Ary ny roa lahy tamin’izay nanompo azy, dia i Timoty sy i Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy kosa dia mbola nijanona fotoana fohy tany Azia. Tamin’izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin’ny fampianarana. Nisy lehilahy iray antsoina hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin’ny tempolin’i Diana tamin’ny volafotsy ka nampahazo harena be ny mpanefy; nangoniny niaraka tamin’ny mpanao taozavatra hafa ireny ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin’izao taozavatra izao no ahazoantsika harena. Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saika manerana an’i Azia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny sain’izy ireo hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana. Koa tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina ho ratsy laza, fa ny tempolin’i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, koa ho afa-boninahitra ilay ivavahan’i Azia rehetra sy izao tontolo izao. Rehefa nandre izany izy ireo dia tezitra mafy ka niantso hoe: Lehibe i Dianan’ny Efesiana! Nanerana ny tanàna ny tabataba ka rehefa nisarika an’i Gaio sy i Aristarko, lehilahy makedoniana izay niara-dia tamin’i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana. Dia vonona hiseho teo amin’ny vahoaka i Paoly, fa tsy navelan’ny mpianatra. Ary ny mpitondra sasany tany Azia, izay sakaizany aza, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao amin’ny trano filalaovana. Fa ny sasany dia niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa dia zavatra hafa; koa nifanaritaka ny olona vory, ary ny ankamaroany dia tsy nahalala akory izay anton’ny nivoriany teo. Ary teo amin’ny vahoaka dia nisy nampahafantatra ny zava-nitranga tamin’i Aleksandra izay nasesiky ny Jiosy handroso. Dia nibaiko tanana i Aleksandra fa ta handaha-teny hanazava tamin’ny olona. Nony fantatry ny olona anefa fa Jiosy izy dia niredona niantsoantso tokony ho nandritra ny adiny roa izy rehetra hoe: Lehibe i Dianan’ny Efesiana! Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka niteny hoe: Ry lehilahy efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efesiana no mpitahiry an’i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’i Jopitera? Ary satria tsy azo toherina izany dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona ankamehana. Fa noentinareo etỳ ireo lehilahy ireo izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika. Koa raha manan-teny hifamaliana amin’olona i Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora. Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo dia hotsaraina amin’izay fivoriana voatendrin’ny lalàna. Sao lahy hampangaina noho izao tabataba tsy misy antony izay niseho androany izao isika sady tsy hitantsika izay hanazavana izao fisavorovoroana izao. Rehefa nilaza izany izy dia nampirava ny olona vory teo. Rehefa nitsahatra ny tabataba dia nampaka ny mpianatra i Paoly ka nampahery azy sy nanao veloma azy ary lasa nankany Makedonia. Nony nitety izany tany izany izy dia nampahery ny olona tamin’ny teny maro ary tonga tany Gresy. Rehefa nijanona nandritra ny telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Siria dia nisy Jiosy niara-nanao teti-dratsy hamely azy ka niova hevitra izy ary lasa niverina namakivaky an’i Makedonia. Niaraka taminy hatrany Azia i Sopatera, zanak’i Piro, avy any Beria, i Aristarko sy i Sekondo avy any Tesalonika, i Gaio avy any Derbe, i Timoty sy i Tikiko ary i Trofimo avy any Azia. Efa nandeha nialoha ireo ka niandry anay tany Troasy. Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipia izahay rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira ary namonjy azy ireo tany Troasy nony afaka dimy andro; tany no nipetrahanay nandritra ny fito andro. Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay dia nitoriteny i Paoly, fa nikasa handeha ny ampitso maraina; naharitra nitoriteny mandra-paha-mamatonalina izy. Ary nisy jiro maro tao amin’ny efitrano ambony izay niangonanay. Nisy zatovo iray antsoina hoe Eotika nipetraka teo am-baravarankely renoky ny torimaso; ary naharitra ela ny toritenin’i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ny tany avy eny amin’ny rihana fahatelo, ary nony narenina izy dia hita fa efa maty. Dia nidina i Paoly ary niankohoka taminy sy namihina azy sady hoy izy: Aza mikorontana ianareo fa mbola ao aminy ihany ny ainy. Ary niakatra i Paoly, dia namaky ny mofo ary rehefa avy nisakafo izy dia mbola niresaka ela mandra-paharain’ny andro. Dia lasa nandeha izy. Ary velona ilay zatovo raha noentina niverina ka faly dia faly tokoa ny olona. Nialoha lalana tamin’ny sambo izahay ka niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an’i Paoly, araka ny teny nomeny, fa ta handeha an-tongotra izy. Rehefa tafahaona taminay tany Aso izy dia noraisinay ary lasa nankany Mitilena izahay. Rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay dia tonga tandrifin’i Kio nony ampitso; ny ampitson’iny indray dia niantsona tao Samo izahay ka tonga tany Mileto ny andro manaraka. I Paoly moa dia efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hijanonany ela any Azia satria maika hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema izy raha azo atao. Rehefa tany Mileto i Paoly dia nandefa iraka hankany Efesosy ka nampiantso ny loholon’ny fiangonana hankeo aminy. Nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Azia izay toetry ny fitondrantenako taminareo tamin’ny fotoana rehetra, dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ny teti-dratsin’ny Jiosy, koa tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona sy tao amin’ny isan-trano; nambarako tamin’ny Jiosy sy ny Grika koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, afa-tsy izay ambaran’ny Fanahy Masina amiko amin’ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana miandry ahy. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahatanteraka ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary indro, ankehitriny dia fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ny ranareo rehetra aho. Fa tsy nafeniko anareo fa notoriko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra rehetra. Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’ Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo ka tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona sasany hitory teny tsy marina ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. Koa miambena ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’alina, tamin’ny ranomaso. Ankehitriny aho dia manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’izay rehetra nohamasinina. Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’olona aho. Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy izay niaraka tamiko, izay nilainay. Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo mba hanampy ny sahirana ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Rehefa avy niteny izany izy dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra. Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’i Paoly ka nanoroka azy sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy hatreny amin’ny sambo izy ireo. Rehefa tafasaraka tamin’ireo izahay dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara; rehefa nahita sambo nita ho any Foinika izahay dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha. Nony nahatsinjo an’i Sipra izahay dia nandalo azy tamin’ny ankavia ka nankany Siria ary niantsona tao Tiro satria tao no nesorina ny entan’ny sambo. Nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nijanona teo nandritra ny herinandro; ary izy ireo dia voatsindrin’ny Fanahy hilaza amin’i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. Rehefa tapitra ny fotoana nijanonana teo dia niainga izahay ka lasa nandeha ary naterin’izy rehetra mbamin’ny vady aman-janany hatrany ivelan’ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka; rehefa nifanao veloma izahay dia niondrana an-tsambo; fa izy ireo kosa dia niverina nody. Ny niafaran’ny dianay an-tsambo dia tany Ptolemaia rehefa avy tany Tiro; niarahaba ny rahalahy izahay ka nijanona indray andro teo aminy. Ny ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon’i Filipo evanjelista izay iray tamin’izy fito lahy ary nipetraka tao aminy izahay. Izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijiny efatra izay samy naminany. Rehefa nitoetra tao nandritra ny andro maromaro izahay dia nisy mpaminany iray antsoina hoe Agabo nidina avy tany Jodia. Nony tonga tao aminay izy dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany sady hoy izy: Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity sy hanolorany azy ho eo an-tanan’ny Jentilisa. Raha vao renay izany dia nangataka tamin’i Paoly izahay mbamin’izay nonina teo mba tsy hiakatra any Jerosalema. Nefa hoy ny navalin’i Paoly: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Vonona aho, tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Tompo. Rehefa tsy nanaiky izy dia nionona izahay ka niteny hoe: Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao. Taorianan’izany dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema. Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin’i Menasona avy any Sipra, mpianatra tranainy, izay nandray anay ho vahiny tao aminy. Rehefa tonga tany Jerosalema izahay dia nandray anay tamin’ny fifaliana ny rahalahy tany. Nony ampitso dia niaraka taminay nankao amin’i Jakoba i Paoly; vory teo koa ny loholona rehetra. Dia niarahaba azy ireo i Paoly ary nilaza tamin’ny antsipiriany ny zavatra rehetra izay nataon’Andriamanitra azy tany amin’ny Jentilisa tamin’ny alalan’ny fanompoany. Rehefa nandre izany ireo dia nankalaza an’Andriamanitra. Ary hoy koa izy tamin’i Paoly: Hitanao, ry rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitana ny lalàna izy rehetra; efa novokisan’olona ny momba anao anefa izy ireo, fa ianao, hono, dia mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin’ny Jentilisa hahafoy an’i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zanany na hanaraka ny fanaon-drazany. Inona ary no izy? Tsy maintsy ho ren’izy ireo ny nahatongavanao. Noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy izay nanao voady atỳ aminay, koa raiso ireo ary manadiova ny tenanao miaraka aminy, dia aloavy ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany; ho fantatry ny olona rehetra amin’izay fa tsinontsinona ny zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao koa aza dia mandeha manaraka ny lalàna. Ny amin’ny Jentilisa izay efa mino kosa dia efa nampitondra epistily ho azy izahay ka nasainay nifady ny hena aterina amin’ny sampy, ny ra, ny biby kendaina ary ny fijangajangana izy ireo. Dia noraisin’i Paoly ireo lehilahy ireo ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo amin’ny tempoly, dia nambarany ny fotoana fahatanterahan’ny andro fidiovana mba hanoloran’ny isan-dahy ny fanatitra. Rehefa ho tapitra ny herinandro dia nahita an’i Paoly teo amin’ny tempoly ny Jiosy avy tany Azia ka nampikotaba ny vahoaka rehetra sady nisambotra an’i Paoly, no niantso hoe: Ry lehilahy Israelita, vonjeo! Io ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny vahoaka sy ny lalàna ary ity toerana ity sady nampiditra Grika tao amin’ny tempoly ka nandoto ity fitoerana masina ity! Nahita an’i Trofimo efesiana niaraka taminy tao an-tanàna mantsy izy ireo ka noheveriny fa nampidirin’i Paoly tao amin’ny tempoly izy. Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, nihazakazaka ny olona ka tafavory; dia nosamboriny i Paoly ka nosarihiny niala teo amin’ny tempoly; ary niaraka tamin’izay dia narindrina ny vavahady. Raha nitady hamono azy ny olona dia nisy teny nakarina tany amin’ny mpifehy arivo tamin’ny antokon’ny miaramila nilaza fa mikotaba i Jerosalema manontolo; niaraka tamin’izay ary dia naka miaramila sy kapiteny izy nihazakazaka nidina nankeo aminy; rehefa nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona dia nitsahatra tsy nikapoka an’i Paoly intsony. Ary nanatona akaiky ny mpifehy arivo dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra azy tamin’ny gadra roa sady nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona no nataony? Fa ny sasany tamin’ny vahoaka niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; koa rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny tabataba dia nasainy noentina ho any anaty rova i Paoly. Rehefa tonga teo amin’ny zanatohatra izy dia nobatain’ny miaramila noho ny fifanosehan’ny olona satria maro ireo olona nanaraka ka niantsoantso hoe: Vonoy Ilehio! Rehefa noentiny tany anaty rova i Paoly dia hoy izy tamin’ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny grika va ianao? Moa tsy ianao va ilay Ejiptiana izay nampikomy ny olona vao haingana ka nitarika efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-tany efitra? Fa hoy i Paoly: Izaho dia Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’izay tanàna tsy kely laza; koa miangavy anao aho, avelao re aho mba hiteny amin’ny olona. Rehefa navelany i Paoly dia nitsangana teo amin’ny zanatohatra ka nanofa tanana tamin’ny olona. Rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ny teny hebreo izy hoe: Ry rahalahy sy ianareo ray, henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako. Nony ren’ny olona fa teny hebreo no nitenenany taminy dia vao mainka nangina izy ireo ka hoy i Paoly: Lehilahy jiosy aho, teraka tany Tarsosy any Kilikia, nefa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela ka nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ny razana aho ary saro-piaro tokoa tamin’Andriamanitra tahaka anareo rehetra ireo ankehitriny. Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho na hahafaty azy aza izany, ary namatotra azy, na lahy na vavy ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; ny Mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho any amin’ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho mba hoentiko mifatotra hankany Jerosalema koa ireo izay hita tany mba hofaizina. Ary raha nandeha aho ka efa nanakaiky an’i Damaskosy, tamin’ilay mitataovovonana iny, dia nisy mazava lehibe nanelatselatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy ka lavo tamin’ny tany aho ary nandre feo niteny tamiko hoe: Saoly! Saoly! Nahoana no manenjika Ahy ianao? Dia hoy aho: Iza moa Ianao, Tompoko? Ary hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, izay enjehinao. Ireo izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava, fa tsy mba nahare ny feon’Ilay niteny tamiko. Hoy indray aho: Tompoko, inona no hataoko? Ary hoy ny Tompo tamiko: Mitsangàna ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao. Raha tsy nahajery noho ny famirapiratan’ilay hazavana aho dia notantanan’ireo niaraka tamiko ary tonga tany Damaskosy. Ary ny lehilahy iray antsoina hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin’ny Jiosy rehetra izay nonina teo, dia nanatona ahy ary nitsangana ka niteny tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin’izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy. Dia hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita Ilay Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; fa ho vavolombelony amin’ny olona rehetra ianao ny amin’izay efa hitanao sy renao. Ary ankehitriny, inona no andrasanao? Mitsangàna, aoka ianao hatao batisa ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao amin’ny fiantsoanao ny anarany. Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo amin’ny tempoly dia azon-tsindrimandry ka nahita Azy nilaza tamiko hoe: Malakisa ianao, mialà haingana eto Jerosalema; fa tsy handray ny fanambarànao Ahy izy. Dia hoy aho: Tompoko, izy ireo dia mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin’ny sinagoga rehetra; ary raha nalatsaka ny ran’i Stefana maritioranao dia mba nitsangana teo koa aho ka nankasitraka sady niambina ny fitafian’ireo izay namono azy. Hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ny Jentilisa. Nihaino azy hatramin’izany teny izany ny olona dia nanandratra ny feony ka niteny hoe: Esory amin’ny tany Ilehio fa tsy tokony hovelomina! Dia niantsoantso izy ireo sady nanala ny fitafiany ary nanipy vovoka ho amin’ny rivotra ka nanome baiko ny mpifehy arivo mba hoentina any an-dapa i Paoly, ary mba hadinina amin’ny kapoka izy, hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ny olona azy toy izany. Raha namatotra azy tamin’ny kofehy hoditra izy dia hoy i Paoly tamin’ny kapiteny izay nitsangana teo: Azonareo atao va ny mikapoka lehilahy romana izay tsy mbola nohelohina? Nony nahare izany ilay kapiteny dia lasa nilaza tamin’ny mpifehy arivo hoe: Inona izao no hataonao fa Romana io lehilahy io? Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka niteny taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny. Hoy ilay mpifehy arivo: Vola be no nahazoako izany zo izany. Fa hoy i Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka. Dia nandao azy haingana ireo olona efa handeha hanadina azy; natahotra koa ny mpifehy arivo, rehefa nahalala fa Romana izy, satria efa nampamatotra azy. Nony ampitso, satria ta hahafantatra marina izay niampangan’ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy nivory ny lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona rehetra, dia noentiny nidina i Paoly ka napetrany teo anatrehany. Nibanjina ny Sinedriona i Paoly ka niteny hoe: Ry rahalahy, izaho dia nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara mandraka androany. Dia nandidy ireo izay nitsangana teo anilany hikapoka ny vavany i Ananiasy mpisoronabe. Hoy i Paoly taminy: Andriamanitra no hikapoka anao, ry manda voalalotra fotsy; ianao va no mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho? Ary izay nitsangana teo dia niteny hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben’Andriamanitra? Hoy i Paoly: Tsy fantatro fa Mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: «Aza miteny ratsy ny mpitondra ny firenenao» (Eks 22.27). Rehefa fantatr’i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ny Sinedriona izy hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ny fanantenana sy ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy. Ary rehefa nilaza izany izy dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo ka nizara roa toko ny olona. Ny Sadoseo mantsy dia milaza hoe: Tsy misy ny fitsanganan’ny maty, sady tsy misy ny anjely na ny fanahy, nefa neken’ny Fariseo avokoa ireo. Dia nisy antsoantso nankarenina teo, ary nitsangana ny mpanoradalàna sasany, izay isan’ny antoko atao hoe Fariseo, ka niady hevitra ary niteny hoe: Tsy hitanay izay helok’io lehilahy io; fa sao dia fanahy na anjely no niteny taminy. Rehefa nihamafy ny fifandirana dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hopotipotehin’izy ireo i Paoly ka nasainy nidina haka azy an-keriny hiala teo afovoany ny miaramila ary hitondra azy ho any an-dapa. Nitsangana teo anilany ny Tompo tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Matokia! Tahaka ny nanambarànao Ahy tany Jerosalema no tsy maintsy mbola hanambarànao Ahy any Roma koa. Nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro raha tsy mahafaty an’i Paoly. Efapolo mahery izy no niray tetika tamin’izany. Nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona izy ireo ka niteny hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona raha tsy mahafaty an’i Paoly. Koa ankehitriny dia ilazaonareo ny mpifehy arivo sy ny Sinedriona mba hampidina azy hankaty aminareo ka mody milaza ianareo fa ta hamototra azy marimarina kokoa ny amin’izay nataony; ary izahay kosa moa dia efa vonona hamono azy, mialoha ny hahatongavany atỳ. Nony ren’ny zanak’anabavin’i Paoly ny vela-pandrika dia lasa nankany anaty rova izy ka nilaza tamin’i Paoly. Ary niantso ny kapiteny iray hankeo aminy i Paoly ka niteny hoe: Ento mankany amin’ny mpifehy arivo ity zatovo ity fa manan-teny holazaina aminy. Dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin’ny mpifehy arivo, niteny hoe: I Paoly mpifatotra no niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy. Dia noraisin’ilay mpifehy arivo tamin’ny tanany izy ka nony efa nitokana tao amin’ny mangingina izy ireo dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko? Hoy ilay zatovo: Ny Jiosy dia efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an’i Paoly ho any amin’ny Sinedriona rahampitso, mody milaza izy fa ta hanadina azy marimarina kokoa. Koa aza manaiky azy ianao, fa mihoatra ny efapolo lahy izy ireo no miray tetika hisambotra an’i Paoly ka efa niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro raha tsy maty izy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy atỳ aminao fotsiny. Ary ny mpifehy arivo dia nampandeha ilay zatovo ka nanafatrafatra hoe: Aza lazaina na amin’iza na amin’iza izany zavatra nampahafantarinao ahy izany. Niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy avy eo ka niteny hoe: Manomàna miaramila roanjato lahy sy mpitaingin-tsoavaly fitopolo ary mpitondra lefona roanjato hankany Kaisaria anio alina amin’ny ora fahatelo; itondray biby koa hitaingenan’i Paoly hitondra azy soa amantsara ho any amin’i Feliksa governora. Dia nanoratra taratasy nisy izao teny izao izy: Miarahaba an’i Feliksa, governora tsara indrindra, i Klaodio Lisia. Ity lehilahy ity dia nosamborin’ny Jiosy ka efa saika novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy dia nitondra miaramila aho ka namonjy azy. Ary satria ta hahalala tsara izay niampangany azy aho dia nentiko nidina teo amin’ny Sinedriona izy; koa hitako fa adihevitra ny amin’ny lalànany no niampangany azy fa tsy nisy fiampangana azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy. Koa rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanao teti-dratsy hisamborana an-dRalehilahy dia nandefa iraka haingana hitondra azy atỳ aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko milaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy. Dia nalain’ny miaramila i Paoly araka ny nandidiana azy ka noentiny iny alina iny ihany ho any Antipatria. Nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny mpitaingin-tsoavaly, fa izy ireo kosa dia niverina ho any an-dapa. Rehefa tonga tany Kaisaria ireo dia nanolotra ny taratasy tamin’ny governora sady nanolotra an’i Paoly ho eo anatrehany koa. Ary rehefa novakiny ilay taratasy dia nanontany izay faritany niavian’i Paoly izy; koa rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho rehefa tonga atỳ ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan’i Heroda izy. Nony afaka hadimiana dia nidina i Ananiasy mpisoronabe mbamin’ny loholona sasany sy i Tertilo mpandaha-teny ary nanambara tamin’ny governora ny niampangany an’i Paoly. Rehefa nantsoina izy dia niampanga azy i Tertilo ka niteny hoe: Ianao no anananay fandriampahalemana lehibe ary ny fitondranao no nahatonga fanatsarana ity firenena ity; koa raisinay amin’ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô. Mba tsy hitazonako anao ela loatra dia miangavy anao aho, mba henoy kely amin’ny faharetana izahay. Io lehilahy io mantsy dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra maneran-tany; izy no mpitarika ilay antoko atao hoe Nazareana. Nitady handoto ny tempoly koa izy io; koa izany no nisamboranay azy; tianay hotsaraina araka ny lalànanay izy. Nefa tonga i Lisia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy. Koa rehefa manadina azy ianao dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy. Niara-nanaiky ny Jiosy sady nilaza fa izany tokoa no izy. Rehefa notondroin’ny governora hiteny i Paoly dia nilaza hoe: Fantatro fa mpitsara amin’ity firenena ity hatry ny ela ianao ka faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako; azonao fantarina fa mbola tsy mihoatra noho ny roa amby folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema. Tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’olona teo amin’ny tempoly, na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ny sinagoga, na tao an-tanàna; ary tsy hain’ireo olona ireo hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny. Izao kosa no ekeko eto anatrehanao, fa araka ilay fampianarana izay ataony hoe antoko no anompoako ny Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ary manana fanantenana amin’Andriamanitra aho, izay antenain’izy ireo koa, dia ny hisian’ny fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina. Amin’izany dia mikely aina koa aho mba hanana mandrakariva fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona. Nony afaka taona maro dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ny fireneko. Koa tamin’izay no hitany voadio teo amin’ny tempoly aho, tsy niaraka tamin’olona maro anefa aho tamin’izany, na tamin’ny fitabatabana, fa Jiosy sasany avy any Azia no teo; izy ireo no tokony hiseho eto anatrehanao mba hiampanga ahy, raha toa misy izay hiampangany ahy. Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany, raha nitsangana teo anatrehan’ny Sinedriona aho, afa-tsy izao teny iray loha izao ihany angaha, dia ilay nolazaiko mafy raha nijoro teo afovoany aho hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio. Efa fantatr’i Feliksa tsara ihany ny amin’izany fampianarana izany, koa nasainy nandeha aloha izy rehetra ary hoy izy: Rehefa tafidina atỳ i Lisia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. Dia nandidy ny kapiteny izy mba hiambina an’i Paoly nefa hanome fahafahana azy ihany ka tsy handrara na iza na iza amin’ireo akaiky azy tsy hanompo azy. Nony afaka andro vitsivitsy dia tonga i Feliksa niaraka tamin’i Drosila vadiny izay Jiosy; nampaka an’i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’i Kristy Jesosy. Rehefa nitory ny amin’ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy izy dia raiki-tahotra i Feliksa ka niteny hoe: Mandehana aloha; fa raha misy fotoana malalaka dia hampaka anao indray aho. Nanantena koa mantsy izy fa hanome vola azy i Paoly dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy. Rehefa afaka roa taona dia i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa; ary ta hahazo sitraka tamin’ny Jiosy i Feliksa ka mbola notanany tao an-tranomaizina ihany i Paoly. Telo andro taorianan’ny nahatongavan’i Festosy teo amin’ny fari-piadidiany, dia niainga avy tany Kaisaria hiakatra ho any Jerosalema izy. Nanambara taminy izay niampangany an’i Paoly ny lehiben’ny mpisorona sy ny olo-manankaja tamin’ny Jiosy sady niangavy taminy mba hampandefasana azy hankany Jerosalema; fa nikasa hanao vela-pandrika ho azy eny an-dalana izy ireo hamonoany azy. Dia namaly azy i Festosy fa ambenana any Kaisaria i Paoly ary efa hankany tsy ho ela koa izy. Koa aoka izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no hiara-midina amiko any ka hiampanga an-dRalehilahy, raha manan-keloka izy. Tsy nijanona teo aminy mihoatra ny valo na folo andro i Festosy ary nidina nankany Kaisaria avy eo; koa nony ampitso dia nipetraka teo amin’ny fitsarana izy ary nasainy nalaina i Paoly. Nony tonga izy dia nitsangana manodidina azy ireo Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy. Nandaha-teny hanala tsiny ny tenany i Paoly hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin’ny lalànan’ny Jiosy, na tamin’ny tempoly, na tamin’i Kaisara. Ta hahazo sitraka tamin’ny Jiosy nefa i Festosy ka niteny tamin’i Paoly hoe: Tianao va ny hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any, ny amin’izany zavatra izany? Fa hoy i Paoly: Eto amin’ny fitsaran’i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanao ratsy na inona na inona tamin’ny Jiosy aho, ary na ianao aza dia mahafantatra tsara izany. Koa raha nisy ratsy nataoko, na zavatra izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty aho; fa raha tsy misy marina kosa izay zavatra iampangan’ireo ahy dia tsy misy mahazo manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ireo. Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho. Rehefa niresaka tamin’ny mpanolotsaina i Festosy dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan’i Kaisara ianao ka ho any amin’i Kaisara. Rehefa afaka andro vitsivitsy dia tonga namangy an’i Festosy tany Kaisaria i Agripa mpanjaka sy i Berenika. Satria nipetraka andro maro teo ry zareo dia nambaran’i Festosy tamin’ny mpanjaka ny amin’i Paoly ka hoy izy: Misy gadra iray navelan’i Feliksa ato, koa fony aho tany Jerosalema dia niampanga azy sy nangataka izay hanamelohana azy ny mpisorona sy ny loholon’ny Jiosy dia novaliko hoe: Tsy fanaon’ny Romana ny manolotra olona raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin’izay niampangan’ireo azy izy. Rehefa tonga tatỳ izy ireo dia tsy nitaredretra aho, fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin’ny fitsarana ka nasaiko nalaina Ralehilahy. Rehefa nitsangana anefa ireo mpiampanga ireo dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko akory izy, fa adihevitra taminy ny amin’ny fivavahany sy ny amin’izany Jesosy izany, izay efa maty, nefa nolazain’i Paoly ho velona, no nataony. Satria sahiran-tsaina aho ny amin’ny hitsarana izany zavatra izany dia nanontany aho na tian-dRalehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin’izany zavatra izany, na tsia. Rehefa nangataka fitsarana ambony any amin’ny amperora i Paoly dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin’i Kaisara. Dia hoy i Agripa tamin’i Festosy: Izaho koa dia mba ta handre izany lehilahy izany. Ary hoy izy: Rahampitso dia handre azy ianao. Nony ampitso dia tonga i Agripa sy i Berenika niseho tamin’ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin’ny efitrano fivoriana niaraka tamin’ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, ary noentina nankeo i Paoly araka ny didin’i Festosy. Dia hoy i Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy ianareo vory etoana, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan’ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony Ilehio. Hitako anefa fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta handahatra any amin’ny amperora, koa nanaiky hampanatitra azy any aho. Tsy hitako izay teny marina hosoratako amin’ny lehibeko ny amin’io lehilahy io, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina, dia ho hitako eo izay hosoratako. Heveriko mantsy fa tsy mety ny mampanatitra gadra any nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy. Hoy i Agripa tamin’i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Nanangana ny tanany i Paoly ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Ny amin’ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio, indrindra noho ny fahafantaranao tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra amin’ny Jiosy; koa miangavy anao aho, mba mahareta hihaino ahy. Fantatry ny Jiosy rehetra hatramin’ny voalohany ny fomba fiainako hatry ny fony aho mbola kely teo amin’ny fireneko tany Jerosalema; eny, fantany hatramin’ny voalohany, raha mety milaza izany izy, satria efa Fariseo aho araka ny antoko izay fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ny fivavahanay. Ankehitriny dia ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon’Andriamanitra tamin’ny razanay no ijoroako hotsaraina eto, dia ilay fanantenana andrasan’ny firenenay roa amby folo izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra andro aman’alina. Izany fanantenana izany no iampangan’ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô. Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana raha manangana ny maty Andriamanitra? Nihevitra tato am-poko tokoa aho fa tsy maintsy manohitra ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta amin’ny fomba maro; izany no nataoko tany Jerosalema ka maro ny olona masina no nohidiko tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana hanao izany tamin’ireo lehiben’ny mpisorona aho; rehefa hovonoina ireny dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. Nampijaly azy ireny matetika teo amin’ny sinagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria romotry ny fahatezerako taminy aho dia nanenjika azy hatrany amin’ny tanàna any ivelany koa aza. Tamin’izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay azoko tamin’ireo lehiben’ny mpisorona, koa nony ilay nitataovovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatselatra manodidina ahy sy ireo izay niaraka tamiko, mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. Rehefa lavo tamin’ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo aho hoe: Saoly! Saoly! Nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. Dia hoy aho: Iza moa Ianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy izay enjehinao. Koa mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, hamonjy anao amin’ity firenena ity sy ny Jentilisa izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. Noho izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ilay fahitana avy tany an-danitra aho. Fa tamin’izay tany Damaskosy aloha, tany Jerosalema sy ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ny Jentilisa koa, dia nitoriteny aho, mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo ka hanao asa mendrika ny fibebahana. Ary izany no nisamboran’ny Jiosy ahy teo amin’ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. Noho ny fitahian’Andriamanitra ahy no mbola aharetako mandraka androany ka anambaràko na amin’ny kely na amin’ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona aho afa-tsy izay nolazain’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy, fa i Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ny maty ka hitory fahazavana amin’ity firenena ity sy amin’ny Jentilisa. Raha nandahatra izany izy dia hoy i Festosy tamin’ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no nahavery saina anao. Fa hoy i Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa teny marina sy tenim-pahendrena no lazaiko. Fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany ka miteny amin’ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany satria tsy natao tao amin’ny takona akory. Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao. Fa hoy i Agripa tamin’i Paoly: Hay! Heverinao fa mora toy izany ny hampanekenao ahy ho kristiana! Dia hoy i Paoly: Mangataka amin’Andriamanitra aho, fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ireto gadra ireto ihany. Nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenika mbamin’izay niara-nipetraka taminy teo; koa rehefa niala teo izy ireo dia niresaka hoe: Tsy manao zavatra tokony hahafaty na hamatorana azy akory ity lehilahy ity. Ary hoy i Agripa tamin’i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’i Kaisara izy. Rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hankany Italia izahay dia natolotra tamin’ny kapiteny antsoina hoe Jolio, tamin’ny antokon’i Aogosto, i Paoly sy ny mpifatotra sasany. Niditra tamin’ny sambo avy any Adramitena izay efa handeha hitety ny sisintanin’i Azia izahay dia lasa nandeha; ary niaraka taminay i Aristarko makedoniana avy any Tesalonika. Nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny fitondran’i Jolio an’i Paoly satria navelany hankany amin’ny namany izay nikarakara azy izy. Rehefa niala teo izahay dia nanara-morona an’i Sipra nihazo ny ilany takon-drivotra satria nanohitra ny rivotra. Namakivaky ny morontsiraka any Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Mira any Likia. Tao no nahitan’ny kapiteny sambo iray avy any Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay. Nandritra ny andro maromaro izahay dia nandroso niadana ka saika tsy tonga tandrifin’i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, koa nanara-morona an’i Kreta nihazo ny ilany takon-drivotra tandrifin’i Salmona izahay; rehefa sahirana nanara-morona izahay dia tonga teo amin’ny toerana iray atao hoe Tsarafitodiantsambo, akaikin’ny tanànan’i Lasea. Satria efa andro maro no lany sady notandindomin-doza ny dia teny an-tsambo tamin’izay, ary efa tapitra ny andro Fifadian-kanina, dia nanolo-kevitra azy ireo i Paoly ka niteny taminy hoe: Ry tompokolahy isany ô! Hitako fa izao fandehanana izao dia hampisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, tsy amin’ny entana sy ny sambo ihany, fa amin’ny aintsika koa aza. Ny kapiteny anefa dia natoky ny mpitondra sy ny tompon-tsambo fa tsy ny teny nolazain’i Paoly. Satria tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina ny fitodian-tsambo teo dia noheverin’ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo andrefana sy mianavaratra andrefana. Rehefa nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo dia nihevitra izy ireo fa ho tanteraka ny fikasany ka niala teo ary nanatona ny sisintanin’i Kreta. Nony afaka kelikely anefa, dia nifofofofo avy tao amin’ny nosy ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakilona. Rehefa nopaohin’ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy dia navelanay nanara-drian-drano. Dia nandeha haingana nanaraka ny moron’ny nosy atao hoe Kaoda izahay, ary efa saika tsy azonay ny lakan’aina; rehefa tafakatra izany dia namatorana ny sambo manodidina ireo tady momba ny lakan’aina. Ary natahotra izy ireo fandrao ho tonga hatrany Sirtisy ka nampidinina ny lay ary navelany handeha ho azy ny sambo. Koa satria nasian’ny rivotra mafy izahay dia nanariana ny entana nony ampitso; ny andro manaraka indray dia ny tanan’izy ireo mihitsy no nanary ireo fitaovana momba ny sambo. Na ny masoandro na ny kintana dia tsy nipoitra nandritra ny andro maro ary ilay tafio-drivotra dia tsy lefy fa mbola nahery ka tsy nanantena ny ho voavonjy intsony izahay. Rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo dia nitsangana teo afovoany i Paoly ka niteny hoe: Ry tompokolahy isany ô! Tokony nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, dia tsy ho nitranga izao fahasimbana sy fatiantoka izao. Fa ankehitriny, mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty akory ianareo fa ny sambo ihany no ho very. Nisy anjelin’Andriamanitra izay Tompoko sady tompoiko mantsy, nitsangana teo anilako alina ka nilaza hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara ianao; ary indro, efa nomen’Andriamanitra ho anao ireo tantsambo rehetra izay miaraka aminao. Koa matokia, tompokolahy isany, fa mino an’Andriamanitra aho fa ho tanteraka araka ny voalazany tamiko ireo. Nefa tsy maintsy ho fefika ihany any amin’ny nosy iray isika. Tamin’ny alina fahefatra amby folo, rehefa nivezivezy tany Adria izahay, nony misasakalina dia noheverin’ireo tantsambo fa efa manakaiky tany izy; dia nanaka-drano izy ka nahita roapolo refy; ary nony nandrosondroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka nahita dimy amby folo refy. Natahotra izahay fandrao hidona amin’ny harambato ka nandatsaka vatofantsika efatra teo amin’ny vodisambo ary naniry ny andro haraina malaky. Nitady handositra hiala tamin’ny sambo anefa ireo tantsambo ka nampidina ny lakan’aina teo amin’ny ranomasina ary nody handatsaka vatofantsika eo an-dohasambo; dia hoy i Paoly tamin’ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mijanona eto an-tsambo ireo olona ireo dia tsy ho voavonjy ianareo. Dia notapahin’ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ny lakana ka navelany ho latsaka. Raha mbola tsy nazava ny andro dia niangavy tamin’ny olona rehetra i Paoly mba hihinan-kanina daholo sady hoy izy: Anio no fahefatra amby folo andro niandrasanareo sady tsy nihinananareo na inona na inona. Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan’ny hamonjena anareo; tsy hisy ho very akory aminareo rehetra na dia singam-bolo iray aza. Rehefa nilaza izany izy dia sady nandray mofo no nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’ny olona rehetra; rehefa novakiny izany dia nanomboka nihinana izy. Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa. Ary izahay rehetra tao anaty sambo dia olona enina amby fitopolo sy roanjato. Rehefa voky izy ireo dia nanariany ho any anaty ranomasina ny vary mba hanamaivanana ny sambo. Nony nazava ny andro dia tsy nahalala ny tany izy fa helodrano iray tsara morona no hitany, koa teo no nokasainy hampiantsonana ny sambo, raha azony atao. Nesoriny avokoa ny vatofantsika, ka navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy mba ho azon’ny rivotra ka hanatona ny tany. Rehefa tonga tamin’izay nisy fihaonan-dranomasina izy ireo dia navelany hidona tamin’ny tany ny sambo; ary nihizina ny lohasambo ka nijanona tsy nihetsika, fa ny vodisambo kosa dia vakivaky azon’ny herin’ny onja. Nikasa hamono ny gadra ny miaramila, sao hisy amin’izy ireo ny handositra raha milomano. Fa ny kapiteny ta hamonjy an’i Paoly ka nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka mialoha ka hilomano ho any amin’ny tany, ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin’ny hazo fisaka, na amin’ny zavatra avy amin’ny sambo. Dia tonga soa amantsara teny an-tanety izy rehetra. Efa tonga soa amantsara izahay vao nahalala fa i Malta no anaran’ilay nosy. Naneho fitiavana manokana taminay ny tompon-tany; namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra satria nilatsaka ny ranonorana tamin’izay sady nangatsiaka ny andro. Dia namory kitay hazo iray trotroana i Paoly ka nanohoka izany teo amin’ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin’ny afo ka niraikitra tamin’ny tanany. Rehefa hitan’ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ny tanany dia nifampiresaka izy ireo hoe: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, koa na dia voavonjy tamin’ny ranomasina aza izy dia tsy avelan’ny todin’aina ho velona. Fa nakifik’i Paoly ho eo amin’ny afo ilay biby ka tsy naninona izy na dia kely akory aza. Nanampo azy hivonto, na hiankarapoka ho faty tampoka ny olona; nefa rehefa niandry ela izy ireo ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an’i Paoly dia niova hevitra izy ka nilaza fa andriamanitra io. Teo akaiky teo dia nisy sahan’i Poplio, tomponandraikitra voalohany teo amin’ny nosy, izay nandray anay sady nampiantrano anay tsara nandritra ny telo andro. Nararin’ny tazo sady nivalan-dra ny rain’i Poplio; niditra tao aminy i Paoly dia nivavaka sady nametra-tanana taminy ka nahasitrana azy. Rehefa vita izay dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin’ny nosy dia sitrana koa ireo. Ary voninahitra be no nomen’ny olona anay ka rehefa handeha izahay dia novatsiany tsara. Rehefa afaka telo volana dia niondrana tamin’ny sambo iray izay efa nandany ny ririnina teo amin’izany nosy izany izahay; sambon’i Aleksandria io ary nisy sarin’i Dioskiora. Nitody tany Sirakosa izahay ary nijanona tao nandritra ny telo andro. Nony niala teo izahay dia nanaraka ny morontsiraka ary tonga tany Regioma; ny ampitso anefa dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra ka ny afaka ampitso dia tonga tao Potioly izahay; Tao no nahitanay rahalahy izay niangavy anay hijanona herinandro teo aminy. Izany no nahatongavanay tany Roma; Nony nahare ny dianay ireo rahalahy tany dia tonga nitsena anay hatrany amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranom-bahiny Telo. Raha nahita azy ireo i Paoly dia nisaotra an’Andriamanitra sady nahazo hery. Rehefa tonga tany Roma izahay dia navela hitoetra mitokana teo amin’ny miaramila iray izay niambina azy i Paoly. Nony afaka hateloana dia nampiantsoin’i Paoly ireo lohandohany tamin’ny Jiosy; rehefa tafangona ireo dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia gadra avy tany Jerosalema, natolotra teo an-tanan’ny Romana na dia tsy nisy fahadisoana nataoko aza na tamin’ny firenentsika na tamin’ny fanaon-drazana; rehefa nanadina ahy mafy ireo dia saika nandefa ahy ihany satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy. Fa satria notoherin’ny Jiosy izany dia voatery aho nilaza fa handahatra amin’i Kaisara, kanefa tsy toy ny manana teny hiampangako ny fireneko aho tsy akory. Izany zavatra izany no nampiantsoako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan’Israely no ifatorako amin’ity gadra ity. Hoy izy ireo taminy: Tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao izahay ary tsy mbola nisy rahalahy nankaty nanambara na nilaza ratsy anao; fa mba tianay ho re avy aminao izay hevitrao satria fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza io antoko io. Rehefa nifanao fotoana tamin’i Paoly izy ireo dia maro no tonga tao aminy tao amin’ny toerana nivahinianany; ary izy dia nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra sady nitaona azy ireo tamin’ny teny ho amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny Mpaminany mba hino an’i Jesosy; vao maraina ka mandra-paharivan’ny andro no nanaovany izany. Ary nisy nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa dia tsy mba nino. Rehefa tsy niray saina ireo ka niala dia izao teny indraimbava izao no nolazain’i Paoly: Marina izay nampilazain’ny Fanahy Masina an’Isaia mpaminany tamin’ny razanareo hoe: «Mandehana any amin’ity firenena ity ianao ka lazao hoe: Hahare mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahalala; ary hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahita; fa efa adala ny fon’ireo olona ireo, efa lalodalovana ny sofiny ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hahasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10). Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ny Jentilisa, ary izy ireo dia hihaino izany. Rehefa niteny izany izy dia lasa ireo Jiosy sady niady hevitra fatratra. Nipetraka roa taona ngarangidina tao amin’ny trano nohofany i Paoly ka nandray tsara izay rehetra tonga teo aminy; nitory ny fanjakan’Andriamanitra izy ka nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny fahasahiana be ary tsy nisy fisakanana. I Paoly, mpanompon’i Jesosy Kristy, voaantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra izay nampilazainy mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminany tao amin’ny Soratra Masina; izany dia ny amin’ny Zanany izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny Fanahy Masina tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia Jesosy Kristy Tompontsika, izay nandraisanay fahasoavana sy ny maha Apostoly anay, mba hahatonga fankatoavana, dia ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ny Jentilisa rehetra; ary ianareo koa, izay isan’ireny, dia voaantso ho an’i Jesosy Kristy. Ho an’izay rehetra any Roma, malalan’Andriamanitra, sady voaantso no masina: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo! Voalohany, misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re manerana izao tontolo izao ny lazan’ny finoanareo. Fa Andriamanitra izay tompoin’ny fanahiko amin’ny Filazantsaran’ny Zanany no vavolombeloko, fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, koa rehefa mivavaka aho dia tsy tapaka mangataka mba hisy fotoana hahafahako mankany aminareo raha sitrapon’Andriamanitra. Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hahamafy orina anareo; izany dia ny mba hiarahako mifampirisika aminareo amin’ny finoana iraisantsika, dia ny anareo sy ny ahy. Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy, fa matetika aho no nikasa hankaty aminareo mba hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ny Jentilisa sasany, saingy azon-tsampona aho hatramin’izao. Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa, ny hendry sy ny adala, trosa aho; noho izany dia mazoto hitory ny Filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa. Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ny marina amin’ny finoana no ho velona» (Hab 2.4). Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana; fa izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, satria nasehon’Andriamanitra taminy izany. Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo. Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy dia tsy mba nankalaza Azy, araka izay mendrika ho an’Andriamanitra, sady tsy mba nisaotra Azy; fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany ary nihamaizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka. Izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena! Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ara-boajanahary ho amin’izay tsy fanao; toy izany koa ny lehilahy, namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy; nifanao izay mahamenatra izy ireo ka nandray tao amin’ny tenany ihany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. Ary araka ny niheverany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika ka hanaovany izay zavatra tsy fanao; feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fitiavan-karena ary ny lolompo izy, feno fialonana, vonoan’olona, fifandirana, fitaka, otri-po; mpanendrikendrika, mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, mpivadi-panekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra hoe: Izay manao izany zavatra izany dia mendrika ho faty; nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao izany kosa. Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ry olona, na iza na iza ianao no mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. Nefa fantatsika fa ny fitsaran’Andriamanitra dia araka ny marina amin’izay manao toy izany. Ary ianao, ry olona, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa heverinao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra ianao? Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marina ataon’Andriamanitra, izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: Fiainana mandrakizay no ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana; fahavinirana sy fahatezerana kosa no ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany sady manohitra ny marina ka manaraka ny tsy marina; fahoriana sy tebiteby ho an’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa! Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, dia amin’ny Jentilisa koa! Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra. Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; ary izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. Satria tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; fa na oviana na oviana ireo Jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna, araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo dia manana ny lalànan’ny tenany ihany; fa ireo dia maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony sady ny fieritreretany rahateo no vavolombelony, ary ny fisainany dia mifampiampanga na mifanafaka ihany koa. Izany no hiseho amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny Filazantsara toriko amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Fa raha milaza tena ho Jiosy ianao ka mitoky amin’ny lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao, raha mahalala ny sitrapony ianao sady mahay mamantatra izay zava-dehibe satria efa nampianarina ny lalàna, ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ny maizina, mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao dia manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana: Moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va ianao? Ianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? Ianao izay miteny hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Ianao izay manao ny sampy ho fahavetavetana, mba mandroba tempoly ihany va ianao? Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna? Fa araka ny voasoratra dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa. Mahasoa ny famorana raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao dia tonga toy ny tsy voafora na dia efa voafora aza. Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ny voafora va izy na dia tsy voafora aza? Moa tsy hotsarain’ny tsy voafora izay mankatò ny lalàna va ianao izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza? Fa tsy ao amin’izay miseho ivelany no maha Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana; fa izay ao amin’ny miafina no maha Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy fa tsy amin’ny soratra; koa ireny dia tsy mandray dera avy amin’ny olombelona fa avy amin’Andriamanitra. Koa inona ary no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona no soa avy amin’ny famorana? Maro ihany ireo amin’ny lafiny rehetra: Voalohany: Izy no notolorana ny tenin’Andriamanitra ho andraikiny. Fa ahoana ary? Raha tsy nahatoky ny sasany, moa ny tsy fahatokiany va hahafoana ny fahatokian’Andriamanitra? Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ekena ho marina fa ny olona rehetra kosa dia ho mpandainga, araka ny voasoratra hoe: «Mba ho hita ho marina amin’ny teninao Ianao ary hahery, raha tsaraina» (Sal 51.4). Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, inona ary no holazaintsika? Tsy marina va Andriamanitra raha mampihatra ny fahatezerany? Miteny araka ny fanaon’ny olona aho. Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao? Raha nitombo noho ny laingako kosa ny fahamarinan’Andriamanitra mba ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? Nahoana ary no tsy hanao ratsy isika mba hiavian’ny soa? Tahaka izany ny tenin’ny sasany izay manendrikendrika anay ho milaza izany. Mendrika ny fanamelohana azy ireny. Ahoana ary? Ambony noho ny hafa va isika? Tsy izany velively; satria efa voalazantsika rahateo fa mpanota avokoa na ny Jiosy na ny Jentilisa araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina na dia iray akory aza; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza» (Sal 14.1-3). «Fasana misokatra ny tendany; ny lelany no anaovany fitaka» (Sal 5.9). «Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony» (Sal 140.3); «Feno ozona sy teny mangidy ny vavany» (Sal 10.7); «Mailaka handatsa-dra ny tongony; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny lalany ary tsy fantany ny lalan’ny fiadanana» (Isa 59.7-8). «Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony» (Sal 36.1). Fantatsika koa fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao, satria tsy misy nofo hohamarinina eo anatrehany amin’ny asan’ny lalàna; fa ny fahalalana ny amin’ny ota ihany no azo avy amin’ny lalàna. Ankehitriny dia naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy tamin’ny lalàna anefa izany, fa nambaran’ny lalàna sy ny mpaminany; fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’izay rehetra mino, satria tsy misy fanavakavahana, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra; nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izy no natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana tamin’ny rany, amin’ny finoana, mba hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namaliany ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany; mba hanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany ankehitriny ka ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy. Aiza ary ny fireharehana? Foana izany. Amin’ny lalàna manao ahoana? Amin’ny lalànan’ny asa va? Tsia, fa amin’ny lalànan’ny finoana. Koa amin’izany dia heverintsika fa finoana no anamarinana ny olona fa tsy ny asan’ny lalàna. Moa Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy fa tsy an’ny Jentilisa koa? Eny, an’ny Jentilisa koa Izy, satria iray ihany Andriamanitra, izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ny finoana. Koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany! Fa mampiorina tsara ny lalàna isika. Inona ary no holazaintsika fa efa azon’i Abrahama razantsika araka ny nofo? Raha asa tokoa mantsy no nanamarinana an’i Abrahama dia misy hireharehany ihany, saingy tsy eo anatrehan’Andriamanitra. Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? «Ary nino an’Andriamanitra i Abrahama ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6). Ho an’izay miasa dia tsy isaina ho toy ny fahasoavana ny karama fa ho toy ny trosa. Fa ho an’izay tsy miasa kosa nefa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. Izany no ilazan’i Davida ny fahasambaran’ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa: «Sambatra ireo izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra izay olona tsy isain’NY TOMPO heloka» (Sal 32.1-2). Koa izany fahasambarana izany, moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? Satria lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama. Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora. Nandray ny famantarana amin’ny famorana izy, toy ny tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’izay rehetra mino izy na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny koa ny fahamarinana. Rain’ny voafora tokoa izy; tsy izay voafora ihany, fa izay manaraka ny dian’ny finoan’i Abrahama raintsika koa, dia izay nananany fony izy tsy mbola voafora. Tsy tamin’ny lalàna anefa no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova an’izao rehetra izao fa tamin’ny fahamarinana amin’ny finoana. Fa raha ireo avy amin’ny lalàna no mpandova dia tonga foana ny finoana, ary tonga tsinontsinona ny teny fikasana. Mahatonga fahatezerana mantsy ny lalàna; fa raha tsy misy lalàna dia tsy misy fandikan-dalàna. Noho izany dia ny finoana no hahatò ny teny fikasana ho an’ny taranaka rehetra, mba ho araka ny fahasoavana, tsy ho an’izay avy amin’ny lalàna ihany fa ho an’izay avy amin’ny finoan’i Abrahama koa, dia ilay raintsika rehetra, araka ny voasoratra hoe: «Nataoko rain’ny firenena maro ianao» (Gen 17.5). Raintsika izy eo anatrehan’Izay ninoany: Andriamanitra izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy ho misy. Na dia efa tsy nisy nanantenana aza dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho tonga rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao» (Gen 15.5). Tsy mba nalemy finoana izy na dia nihevitra ny tenany ho efa toy ny maty aza, satria efa tokony ho zato taona izy, toy izany koa ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha. Tsy nisalasala tamin’ny tsy finoana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra izy fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady natoky tanteraka fa izay nolazainy dia hainy hatao tokoa. Dia nisaina ho fahamarinany izany. Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana hoe: Nisaina ho azy izany, fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty, Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ary natsangana indray ho fanamarinana antsika. Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika. Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana; ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana. Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika. Fa fony mbola tsy nanan-kery isika dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy. Fa zara raha misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; nefa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa. Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa manoatra noho izany ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika ankehitriny! Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna; Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy. Tsy tahaka ny avy amin’ny iray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny iray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, nefa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezana ny fahasoavana ho fanamarinana. Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fankatoavan’ny Iray. Ny lalàna koa dia niditra mba hampitombo ny fahadisoana. Nefa teo amin’izay nitomboan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana ho be lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika mba hitomboan’ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no mbola ho velona ao aminy ihany? Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? Koa tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina aina Taminy tamin’ny fahafatesana toy izany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia niaraka nohomboana Taminy mba tsy hampanan-kery ny tenan’ny ota, koa tsy ho andevozin’ny ota intsony isika. Fa izay efa maty dia nohamarinina ka afaka amin’ny ota. Koa raha miara-maty amin’i Kristy isika dia mino fa hiara-belona Aminy koa; fantatsika mantsy fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery Aminy intsony ny fahafatesana. Ny amin’ny nahafatesany dia maty indray mandeha ny amin’ny ota Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa dia velona ho an’Andriamanitra Izy. Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ataovy ho efa maty ny amin’ny ota ny tenanareo fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy kosa. Koa aza avela hanjaka amin’ny tenanareo mety maty ny ota ka hanarahanareo ny filany; ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra. Fa tsy hanan-kery aminareo ny ota; satria tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana. Ahoana ary? Hanota va isika satria tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany! Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho andevo ianareo mba hanoa, na iza na iza, dia andevon’izay ankatoavinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana? Koa isaorana Andriamanitra, fa na dia efa andevon’ny ota aza ianareo, ny fonareo kosa dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo; ary rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo dia tonga andevon’ny fahamarinana. Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho andevon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ka nanatanteraka ny tsy fanarahan-dalàna, dia mba atolory toy izany koa ny momba ny tenanareo ankehitriny ho andevon’ny fahamarinana, mba hahatanteraka ny fahamasinana. Fa fony mbola andevon’ny ota ianareo dia afaka tamin’ny fahamarinana. Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? Fa fahafatesana no fiafaran’izany zavatra izany. Ankehitriny kosa, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’Andriamanitra ka manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Tsy fantatrareo va, ry rahalahy; eny, miteny amin’izay mahalala ny lalàna aho, fa ny lalàna dia mifehy ny olona mandritra ny fotoana ahavelomany? Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna amin’ny lahy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’ny lalànan’ny fanambadiana izy. Koa raha mbola velona ny lahy ka manambady olon-kafa Ravehivavy dia holazaina hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga na dia manambady olon-kafa aza. Noho izany, ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa tonga maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra. Fa fony tao amin’ny nofo isika dia ny filan’ny ota, noho ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika ka nahavokatra ho amin’ny fahafatesana. Fa ankehitriny kosa dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika ka manompo araka ny fanavaozana avy amin’ny Fanahy fa tsy amin’ny fomba tranainy tao ambanin’ny lalàna voasoratra. Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahafantatra ny ota aho raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana raha tsy ny lalàna no nilaza hoe: «Aza mitsiriritra» (Eks 20.17). Io didy io dia noentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota raha tsy misy lalàna. Izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota ka tonga maty aho. Koa ny didy izay natao hahazoana fiainana dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko. Fa io didy io dia noentin’ny ota namitaka sy nahafaty ahy. Eny, masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara. Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no noentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota tokoa ny ota noho ny nataon’ny lalàna. Fantatsika anefa fa araka ny fanahy ny lalàna; ary izaho kosa dia nofo, namidy tamin’ny ota. Fa tsy fantatro izay ataoko; satria tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no tanterahiko. Raha izay tsy sitrako no ataoko dia miara-manaiky amin’ny lalàna aho fa tsara izy. Ary amin’izany, tsy izaho intsony no manao io fa ny ota izay mitoetra ato anatiko. Fantatro anefa fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ananako ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ananako. Tsy ny tsara izay sitrako no tanterahiko fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko dia tsy izaho intsony no manao izany fa ny ota izay mitoetra ato amiko. Koa hitako izao lalàna izao: Raha ta hanao ny marina aho dia ato amiko ihany ny ratsy. Mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra anefa aho araka ny maha olona ahy ato anatiko; saingy mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho; izy io dia miady amin’ny lalànan’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalànan’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? Misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika aho! Koa raha ny amiko dia andevon’ny lalànan’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalànan’ny ota kosa amin’ny nofoko. Koa amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Fa izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nanalemy azy, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo, mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ny lalàna amintsika izay tsy mandeha araka ny nofo fa araka ny Fanahy. Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy, satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy. Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. Koa amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika, tsy amin’ny nofo anefa ka ho velona araka ny nofo. Raha velona araka ny nofo ianareo dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy kosa no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo. Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô! Izy Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa. Eny, heveriko fa ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao dia tsy mendrika oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho Izay nampanaiky azy, amin’ny fanantenana. Izao zavatra ary rehetra izao koa dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana be voninahitra izay an’ireo zanak’Andriamanitra. Fa fantatsika fa mandraka ankehitriny, izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka. Tsy izany ihany, fa isika koa; eny, fa na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika koa dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganana anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita maso dia tsy mba fanantenana intsony; izay hita va mbola azo antenaina ihany? Fa raha manantena izay tsy mbola hitantsika isika dia miandry amin’ny faharetana. Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina. Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina. Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo. Satria ireo izay fantany mialoha no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy. Izay notendreny mialoha no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy! Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty! Eny, mihoatra noho izany aza, nitsangana tamin’ny maty koa Izy ka mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika. Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa tebiteby, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: «Fa noho ny aminao no amonoana anay mandritra ny andro; toy ny ondry hovonoina no niheverana anay» (Sal 44.22). Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho fa tsy mandainga, sady vavolombelona miaraka amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako: Mafy ny alaheloko ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko. Fa efa saika niriko ho voaozona ho afaka amin’i Kristy aza ny tenako noho ny rahalahiko, havako araka ny nofo, izay Israelita sady manana ny fananganana anaka, ny voninahitra, ireo fanekena, ny fanomezana ny lalàna, ny fombam-pivavahana ary ireo teny fikasana; azy koa ny razana izay niavian’i Kristy araka ny nofo, Kristy izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay! Amena! Kanefa tsy milaza aho fa foana ny tenin’Andriamanitra. Satria tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no Israely. Tsy izay taranak’i Abrahama dia zanany avokoa fa «Avy amin’Isaka no hiantsoana ny taranaka ho anao» (Gen 21.12). Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra, fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka. Fa izao no voalazan’ny teny fikasana: «Raha mitsingerina ny fotoana toy izao dia ho avy Aho ary hanan-janakalahy i Saraha» (Gen 18.10). Ary tsy izany ihany fa i Rebeka koa dia nanana anaka tamin’ny lehilahy iray, dia tamin’Isaka razantsika; fa fony tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy, dia nolazaina tamin-dRavehivavy hoe: «Hanompo ny zandriny ny zokiny» (Gen 25.23), mba hitoeran’ny fikasan’Andriamanitra, araka ny fifidianany, tsy avy amin’ny asa, fa avy amin’Izay miantso, sy araka ny voasoratra hoe: «I Jakoba no tiako fa i Esao kosa dia halako» (Mal 1.2-3). Inona ary no holazaintsika? Misy tsy fahamarinana va ao amin’Andriamanitra? Sanatria izany! Fa hoy Izy tamin’i Mosesy: «Hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo» (Eks 33.19). Koa tsy avy amin’izay maniry na avy amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra izay miantra. Fa hoy ny Soratra Masina ny amin’i Farao: «Izany no nanandratako anao mba hoentiko mampiseho ny heriko ary mba hanambarana ny anarako any amin’ny tany rehetra» (Eks 9.16). Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo. Dia hilaza amiko ianao hoe: Koa nahoana ary Izy no manome tsiny ihany? Fa iza moa no afaka hanohitra ny sitrapony? Ry olona! Fa iza moa ianao no mamaly an’Andriamanitra? Izay zavatra novolavolaina va hilaza amin’Izay namolavola azy hoe: Nahoana Ianao no nanao ahy toy izao? Moa ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samihafa, ny iray dia hohajaina, ary ny iray kosa dia hatao tsinontsinona? Ary raha Andriamanitra izay ta haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza no be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarany koa ny harenan’ny voninahiny amin’ny fanaky ny famindrampo izay namboariny rahateo ho amin’ny voninahitra, dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany fa ny avy amin’ny Jentilisa koa, araka izay lazainy ao amin’i Hosea hoe: «Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; ary ilay tsy malala hoe malala» (Hos 2.25); «Ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, any no hiantsoana azy hoe zanak’Andriamanitra velona» (Hos 2.1). Ary miantso mafy Isaia ny amin’ny Israely hoe: «Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Zanak’Israely dia izay sisa ihany no hovonjena; fa hefain’NY TOMPO tanteraka sy haingana etỳ ambonin’ny tany ny teniny» (Isa 10.22-23); ary araka izay nambaran’Isaia mialoha hoe: «Raha tsy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tahaka an’i Gomora isika» (Isa 1.9). Inona ary no holazaintsika? Ny Jentilisa izay tsy nitady fahamarinana no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ny finoana, fa ny Israely izay nitady ny lalànan’ny fahamarinana kosa dia tsy nahatratra izany lalàna izany. Nahoana ary? Satria tsy tamin’ny finoana no nitadiavany izany fahamarinana izany fa toy ny tamin’ny asa ka tafintohina tamin’ny vato mahatafintohina izy; araka ny voasoratra hoe: «Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; izay mino Azy dia tsy hitsanga-menatra» (Isa 8.14; 28.16). Ry rahalahy, ny fanirian’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireny dia ny mba hahavoavonjy azy. Satria vavolombelon’ireny aho, fa manana hafanam-po ny amin’Andriamanitra izy saingy tsy araka ny fahalalana. Eny, tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hampiorina fahamarinana ho an’ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Ny faran’ny lalàna anefa dia Kristy, ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino. Fa i Mosesy dia nanoratra nilaza fa ny olona izay manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany (Lev 18.5). Ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana kosa dia milaza hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? Izany hoe ny hampidina an’i Kristy avy any izany, na: Iza no hidina any amin’ny lalina? Izany hoe ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany. Fa ahoana no lazainy? «Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao» (Deo 30.12-14), dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay izany. Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena. Fa hoy ny Soratra Masina: «Tsy hitsanga-menatra izay rehetra mino Azy» (Isa 28.16). Fa tsy misy hafa na Jiosy na Jentilisa, fa iray ihany ny Tompon’izy rehetra, sady manankarena homena izay rehetra miantso Azy Izy. Satria «Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena» (Joe 3.5). Hataony ahoana moa no fiantso izay tsy ninoany? Hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: «Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!» (Isa 52.7). Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny Filazantsara. Fa hoy Isaia: «TOMPO ô, iza no nino izay henony taminay?» (Isa 53.1). Koa ny finoana dia avy amin’izay henoina, ary izay henoina kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy. Fa hoy aho: Sao tsy nahare izy? Tsia, «Efa nivoaka ho any amin’ny tany manontolo ny feony ary ny teniny dia hatramin’ny faran’izao rehetra izao» (Sal 19.4). Fa hoy aho: Sao tsy nahalala ary ny Israely? I Mosesy no voalohany niteny hoe: «Hampialona anareo an’izay tsy firenena Aho, amin’izay firenena adala no hampahasosorako anareo» (Deo 32.21). Fa sahy mihitsy Isaia ka nilaza hoe: «Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.» Fa ny amin’ny Israely dia hoy izy: «Mandritra ny andro no efa nanatsorako ny tanako tamin’izay firenena sady tsy mankatò no mandà» (Isa 65.1-2). Dia hoy aho: Sao dia narian’Andriamanitra ary ny olony? Sanatria izany! Satria izaho koa mba Israelita taranak’i Abrahama ihany, avy amin’ny fokon’i Benjamina. Tsy nanary ny olony izay efa fantany mialoha Andriamanitra; sa tsy fantatrareo izay lazain’ny Soratra Masina ao amin’ny tantaran’i Elia, dia ilay fitarainany tamin’Andriamanitra noentiny namely ny Israely hoe: «TOMPO ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy; ary izaho irery ihany no sisa ka mitady ny aiko koa izy» (1Mpa 19.14)? Nefa ahoana no navalin’Andriamanitra azy? «Izaho efa namela fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’ny Baala » (1Mpa 19.18). Dia toy izany koa amin’izao andro ankehitriny izao, misy sisa tavela ihany araka ny fifidianana amin’ny fahasoavana. Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany dia tsy mba avy amin’ny asa intsony; fa raha izay dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana. Ahoana ary? Izay notadiavin’ny Israely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany ary ny sisa kosa dia tonga mafy fo; araka ny voasoratra hoe: «Andriamanitra efa nanome azy fanahy mahasondrian-tory sy maso tsy hahita ary sofina tsy hahare, mandraka androany» (Isa 29.10; Deo 29.3). Ary hoy Davida: «Aoka ny latabany ho fandrika sy ho harato, sady ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy! Aoka ny masony ho maizina ka tsy hahita! Ary aoka ho vokoka mandrakariva ny lamosiny!» (Sal 69.22-23) Dia hoy aho: Sao dia tafintohina ary ny Israely ka ho lavo? Sanatria izany! Fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ny Jentilisa mba hampialona azy. Raha ny fahatafintohinany no tonga harenan’izao tontolo izao, ary ny fahareseny no tonga harenan’ny Jentilisa, tsy mainka va ny fahafenoany! Fa ianareo Jentilisa no itenenako. Koa satria apostolin’ny Jentilisa aho dia mankalaza ny fanompoako, mba hisy hahazoako hampialona ireo iray ra amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy. Fa raha ny fampihatahana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fampodiana ny fiainana avy amin’ny fahafatesana va ny fandraisana azy? Ary koa, raha masina ny santatry ny mofo dia masina koa ny vongany manontolo; ary raha masina ny fotony dia masina koa ny sampany. Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka haniry teo aminy ka mba niombona tamin’ny fototra sy ny menaky ny hazo oliva, dia aza mirehareha amin’ny sampany; fa na dia mirehareha aza ianao, tsy ianao no mitondra ny fotony fa ny fotony no mitondra anao. Ary hiteny ianao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy haniry. Marina izany; ny tsy finoany no nanapahana azy fa ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona fa matahora. Fa raha ny tena sampany aza tsy navelan’Andriamanitra dia tsy havelany koa ianao. Koa hevero fa mora fanahy Andriamanitra nefa hentitra: Amin’izay lavo dia hentitra Izy; fa aminao kosa dia mora fanahy Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao. Nefa ireny kosa, raha tsy mifikitra amin’ny tsy finoana, dia hatsofoka haniry ihany, satria azon’Andriamanitra atsofoka indray izy. Fa raha notapahina tamin’ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka haniry amin’ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, manoatra noho izany no hanatsofohana indray izay tena sampany amin’ny hazo oliva nanapahana azy. Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izao zavamiafina izao, ry rahalahy, fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo: Misy fahamafisam-po manjo ny Israely sasany mandra-pahatafiditry ny Jentilisa rehetra. Amin’izany dia hovonjena avokoa ny Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: «Hiainga avy any Ziona ny Mpanafaka ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy; izany no fanekeko aminy rehefa manaisotra ny fahotany Aho» (Isa 59.20-21; 27.9). Araka ny Filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa araka ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ny razana. Satria ny fanomezana ny fahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy azo ovana. Fa tahaka anareo fahiny, izay tsy nankatò an’Andriamanitra, nefa ankehitriny dia ny tsy fanekeny no nahazoanareo famindrampo, dia toy izany koa ankehitriny, tsy nankatò ireny, mba hahazoany famindrampo ankehitriny noho ny famindrampo azonareo. Fa nanidy azy rehetra tao amin’ny tsy fankatoavana Andriamanitra mba hamindrany fo amin’izy rehetra. Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany! Fa «iza no nahalala ny sain’NY TOMPO? Iza no mpanolotsaina Azy?» (Isa 40.13) Iza no nanome Azy aloha mba hamaliana azy indray? Fa avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amena! Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany. Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka. Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy. Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tenantsika izay tokana nefa tsy mitovy asa izy rehetra momba ny tena ireo, dia toy izany koa isika, na dia maro aza dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. Fa samy manana fanomezam-pahasoavana samihafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: Raha faminaniana dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; raha fanompoana dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra dia aoka ho amin’ny fampianarana; raha mananatra dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay mitarika dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo dia aoka ho amin’ny fifaliana. Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara. Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana. Manampia ny olona masina araka izay ilainy. Mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35). Fa raha noana ny fahavalonao dia omeo hanina izy; raha mangetaheta izy dia omeo hosotroiny; fa ny fanaovanao izany dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha 5.21-22). Aza mety ho resin’ny ratsy ianao fa reseo amin’ny soa ny ratsy. Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe, satria tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fanamelohana. Fa ny mpitondra dia tsy mba atahoran’izay manao ny tsara fa izay manao ny ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara dia hahazo dera avy aminy ianao, satria mpanompon’Andriamanitra hahatsara anao izy. Fa raha ratsy kosa ny ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, mpamaly hampihatra fahatezerana amin’izay manao ny ratsy. Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany fa noho ny fieritreretana koa. Noho izany no andoavanareo vola hetra fa ny mpandray ireny dia mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany asa izany indrindra. Aloavy amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: Vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, haba ho an’izay tokony handoavana haba, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina. Aza avela hisy trosa tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia nahatanteraka ny lalàna. Fa ny hoe: «Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’olona» (Eks 20.13-17), mbamin’izay didy hafa rehetra dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna. Tokony hanao izany indrindra isika satria fantatsika ny fotoana, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny, ny famonjena antsika dia akaiky noho ny fony vao nino isika. Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany. Raiso ny malemy finoana, nefa tsy amin’ny fitsaranareo ny eritreriny. Ny iray dia mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy; malemy finoana kosa ny iray ka tsy mihinana afa-tsy ny vokatry ny zavamaniry. Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; aoka koa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy. Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampijoroina ihany izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo. Ny iray dia manao ny andro iray ho mihoatra noho ny andro sasany ary ny iray kosa dia manao ny andro rehetra ho mitovy. Aoka samy ho resy lahatra ao an-tsainy avy izy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo ary misaotra an’Andriamanitra koa izy. Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika ary tsy misy maty ho an’ny tenany. Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany. Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy. Ary nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana koa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra. Satria voasoratra hoe: «Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, ny lohalika rehetra dia handohalika eo anatrehako ary ny lela rehetra dia hidera an’Andriamanitra!» (Isa 45.23) Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Koa aza mifampitsara intsony isika fa aleo mihevitra izao: Ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy. Mahafantatra sady resy lahatra ao amin’i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; satria raha misy manao zavatra iray ho maloto dia aminy ihany izany no maloto. Raha mampalahelo ny rahalahinao ny zavatra fihinanao dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny zavatra haninao no animbanao azy, fa efa maty hamonjy azy Kristy. Koa aza avela hotenenina ratsy izay zavatra tsara anananareo. Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina. Koa izay manompo an’i Kristy amin’izany zavatra izany no sitrak’Andriamanitra sy eken’ny olona fa tsara. Koa aoka isika hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. Aza izay hanina no andravanao ny asan’Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana ka mahatonga fahatafintohinana. Fa tsara ny tsy mihinana hena, ny tsy misotro divay, ny tsy manao izay hahatafintohina ny rahalahinao. Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay zavatra ekeny! Fa izay misalasala dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana. Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy. Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voasoratra hoe: «Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko» (Sal 69.9). Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina. Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika! Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra. Fa lazaiko fa tonga mpanompon’ny voafora Kristy noho ny fahamarinan’Andriamanitra, hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana mba hankalazan’ny Jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra hoe: «Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentilisa sy hihirako ny anaranao» (Sal 18.49). Hoy koa Izy: «Miravoravoa, ry Jentilisa mbamin’ny olony!» (Deo 32.43) Ary koa: «Miderà NY TOMPO, ry Jentilisa rehetra ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra!» (Sal 117.1) Hoy koa Isaia: «Ho avy ny Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny Jentilisa; Izy no hantenain’ny Jentilisa» (Isa 11.10). Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina! Koa ny aminareo, ry rahalahiko, dia matoky aho fa feno hatsaram-panahy ianareo, feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. Kanefa amin’ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, mba ho mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny Jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana ho an’ny Filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny Jentilisa, ho fanatitra nohamasinin’ny Fanahy Masina. Koa manana izay reharehako ao amin’i Kristy Jesosy aho noho ny amin’Andriamanitra. Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nataon’i Kristy tamin’ny alalako, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny Jentilisa, noho ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilirikiona no nahatanterahako ny fitoriako ny Filazantsaran’i Kristy. Koa nataoko ho voninahitro ny hitory ny Filazantsara, tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho, fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy nilazana Azy no hahita, ary izay tsy nandre no hahafantatra» (Isa 52.15). Izay no nanakana ahy matetika tsy hankany aminareo. Ankehitriny kosa dia tsy misy antony hitoerako etỳ amin’ity faritra ity intsony, sady efa naniry hankany aminareo hatramin’ny taona maro aho rehefa mankany Espaina; koa manantena hahita anareo aho amin’ny fandalovako ka ho vatsinareo ny diako mankany rehefa avy nifaly vetivety tamin’ny fiarahana taminareo. Fa ankehitriny dia efa hiainga hankany Jerosalema aho mba hanompo ny olona masina. Fa sitrapon’i Makedonia sy i Akaia ny hamory vola ho fifanohanana amin’ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema. Eny, sitrapony izany sady tokony hataony aminy, fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy. Rehefa vitako izay ka voatolotro azy soa amantsara izany vokatra izany dia ho any Espaina aho ka handalo any aminareo. Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho dia handeha amin’ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy. Nefa mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy, mba ho voavonjy amin’ny tsy mino any Jodia aho ary mba hankasitrahan’ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema; rehefa vita izany dia hankany aminareo amin’ny fifaliana aho, raha sitrapon’Andriamanitra ka hiala sasatra kely any aminareo. Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra! Amena! Iny i Foiby anabavintsika, diakonan’ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo, mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, araka izay mendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilàny anareo, fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa. Veloma amin’i Prisila sy i Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy; izy ireo dia nanao vy very ny ainy hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy fa ny fiangonana rehetra any amin’ny Jentilisa koa. Veloma amin’ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’i Azia ho an’i Kristy. Veloma amin’i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo. Veloma amin’i Androniko sy i Jonia havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ny Apostoly sady tao amin’i Kristy talohako. Veloma amin’i Ampliato malalako ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Orbano mpiara-miasa aminay ao amin’i Kristy sy i Staky malalako. Veloma amin’i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’i Kristy. Veloma amin’ny ankohonan’i Aristobolo. Veloma amin’i Herodiona havako. Veloma amin’ny ankohonan’i Narsisy, izay ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Trifena sy i Trifosa, izay mikely aina ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Persy malala, izay nikely aina fatratra tao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Rofosy ilay voafidy ao amin’ny Tompo, ary veloma amin’ny reniny sy reniko. Veloma amin’i Asinkrito, i Flegona, i Hermesy, i Patroba, i Hermasy, mbamin’ny rahalahy ao aminy. Veloma amin’i Filologo sy i Jolia, i Nerea sy ny anabaviny ary i Olimpa sy ny olona masina rehetra izay ao aminy. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an’i Kristy manao veloma anareo. Fa mananatra anareo aho, ry rahalahy, mba hitandremanareo ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana, tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny. Fa izy ireny dia tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary amin’ny teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina. Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fankatoavanareo. Ary faly aho noho ny aminareo satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo ary tsy hiharo amin’izay ratsy. Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro haingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Manao veloma anareo i Timoty, mpiara-miasa amiko sy i Losio ary i Jasona sy i Sosipatro havako. Manao veloma anareo ao amin’ny Tompo izaho Tertio, izay manoratra ity epistily ity. Manao veloma anareo i Gaio, ilay mpampiantrano ahy sy ny fiangonana rehetra. Manao veloma anareo i Erasto mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna sy i Koarto rahalahy. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Amena! Ary ho an’Izay mahay mampahery anareo araka ny Filazantsara toriko, dia ny fanambarana an’i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zavamiafina, izay voafina hatry ny fony fahagola, fa efa aseho ankehitriny tamin’izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay ka nampahafantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry, anie ny voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay! Amena! I Paoly, voaantso ho apostolin’i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Sostena rahalahy, no mamangy ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesosy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ny tany rehetra, dia izay sady Tompon’ireny no Tompontsika koa: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesosy, dia ny nampanankarena anareo ao Aminy amin’ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, araka ny niorenan’ny filazana an’i Kristy teo aminareo, koa tsy misy tsy anananareo ny fanomezam-pahasoavana rehetra, eo am-piandrasana ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika izay hampiorina anareo koa hatramin’ny farany ka tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky Andriamanitra izay nahatonga anareo ho voaantso, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika. Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra. Efa nambaran’ny avy amin’ny ankohonan’i Kloa tamiko mantsy ny mombamomba anareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo. Miteny izany aho satria misy aminareo milaza hoe: Izaho dia an’i Paoly, izaho dia an’i Apolosy, izaho dia an’i Kefasy, izaho dia an’i Kristy. Voazarazara va Kristy? I Paoly va no voahombo tamin’ny hazofijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ny anaran’i Paoly no nanaovana batisa anareo? Misaotra an’Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio, fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ny anarako ianareo. Mba efa nanao batisa ny ankohonan’i Stefanasy koa anefa aho; ankoatra ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa. Fa tsy naniraka ahy hanao batisa Kristy fa hitory ny Filazantsara, tsy tamin’ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazofijalian’i Kristy. Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. Fa voasoratra hoe: «Horavako ny fahendren’ny hendry ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala» (Isa 29.14). Aiza ny hendry? Aiza ny mpanoradalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? Satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, koa ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino. Fa mila famantarana ny Jiosy, ary mitady fahendrena ny Grika, fa izahay kosa dia mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny Grika, fa amin’izay voaantso kosa, na Jiosy na Grika, dia Kristy izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny olona. Mba hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy ny olon-kendry araka ny nofo, tsy firy ny olona mahery, tsy firy ny avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. Fa avy aminy no nahatonga anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, izay natao fahendrena avy amin’Andriamanitra ho antsika, ary koa fahamarinana, fahamasinana ary fanavotana, mba ho araka ny voasoratra hoe: «Izay mirehareha, aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9.23). Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny marevaka na fahendrena, rehefa nitory taminareo ny zavamiafina ny amin’Andriamanitra. Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, dia Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana; ary izaho aza raha tany aminareo dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena izay natao hampiaiky, fa tamin’ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona fa amin’ny herin’Andriamanitra. Kanefa milaza fahendrena amin’ny efa matotra izahay, tsy ny fahendren’izao tontolo izao na ny an’ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zavamiafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao; ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy dia tsy nohomboany tamin’ny hazofijaliana ny Tompon’ny voninahitra. Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3). Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany. Izany koa no teneninay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha mampitaha izay zavatra ara-panahy amin’izay avy amin’ny Fanahy izahay. Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra, fa fahadalana izany aminy sady tsy azony satria araka ny Fanahy no itsarana izany. Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mitsara ny zavatra rehetra kanefa tsy mba tsarain’olona izy. Fa «Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy?» (Isa 40.13). Kanefa izahay dia manana ny sain’i Kristy. Fa izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy fa tahaka ny amin’izay mbola araka ny nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy. Ronono no nomeko anareo fa tsy ventin-kanina satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, tsy mbola matanjaka aza mandraka ankehitriny fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? Fa raha hoy ny iray: Izaho dia an’i Paoly, ary ny iray kosa: Izaho dia an’i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo? Fa inona moa i Apolosy, ary inona moa i Paoly? Mpanompo ihany izy ireo, izay nahatonga anareo ho mpino, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho no namboly, i Apolosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo. Koa tsinontsinona izay mamboly, na izay manondraka, fa Andriamanitra, izay mampitombo, no tena izy. Iray ihany ny mpamboly sy ny mpanondraka; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy ireo. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo. Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy dia tahaka ny fanaon’ny mpanao mari-trano hendry no nametrahako ny fanorenana, fa olon-kafa no mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. Fa tsy misy mahay mametraka fanorenana hafa afa-tsy izay efa eo, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona izay narafiny teo amboniny dia handray valim-pitia izy. Raha levon’ny afo ny asan’ny olona dia ho maty antoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany. Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany. Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo milaza azy ho hendry amin’izao tontolo izao dia aoka ho adala izy mba ho tonga hendry. Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra; fa voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy» (Job 5.13). Ary izao koa: «NY TOMPO mahalala ny fihevitry ny hendry, fa zava-poana izany» (Sal 94.11). Koa aoka tsy hisy hanao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apolosy, na i Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy. Izany rehetra izany dia anareo; ary ianareo dia an’i Kristy, ary Kristy an’Andriamanitra. Koa aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitantana fananana ny amin’ny zavamiafina izay an’Andriamanitra izahay. Ary raha izany, izay ilaina amin’ny mpitantana fananana dia ny ho mahatoky. Fa raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy velively, na hotsarainareo aho na hotsarain’olona; fa ny tenako aza dia tsy mitsara ahy. Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no mitsara ahy. Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay dera sahaza azy avy amin’Andriamanitra ny tsirairay. Izany zavatra izany, ry rahalahy, dia nataoko oha-teny noho ny aminareo, mba hilazana ahy sy i Apolosy, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho izay voasoratra ianareo ka tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny iray na hanevateva ny iray hafa kosa. Fa iza no nanome tombony anao amin’ny hafa? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray? Efa afa-po sahady ianareo, efa manankarena sahady ianareo, efa manjaka tsy miaraka aminay ianareo; kanefa hay tsy izahay akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka hanjaka tokoa ianareo mba hiarahanay manjaka aminareo koa! Fa ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidiny izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka ho faty; fa izahay dia natao ho fizahan’izao rehetra izao, na anjely na olona. Izahay dia adala noho ny amin’i Kristy fa ianareo no hendry ao amin’i Kristy! Izahay dia malemy fa ianareo no mahery! Ianareo dia manan-daza fa izahay no mavomavo! Mandraka ankehitriny izao dia noana, mangetaheta, tsy manan-kitafy, asiana totohondry ary tsy manam-ponenana izahay; misasatra miasa amin’ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay dia misaotra; raha enjehina dia miaritra; raha endrikendrehina dia mamaly amin’ny fahalemem-panahy kosa; atao toy ny fakofakon’izao tontolo izao izahay, dia fakon’olona rehetra, mandraka ankehitriny. Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. Fa na manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo dia tsy maro akory ny rainareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny Filazantsara. Koa mandrisika anareo aho: Manahafa ahy ianareo. Noho izany dia nirahiko ho any aminareo i Timoty, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, koa izy no hampahatsiaro anareo ny fombam-piainako rehetra ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko amin’ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. Fa mirehareha ny sasany ary ohatry ny hoe tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho. Ho avy any aminareo haingana anefa aho, raha sitrapon’ny Tompo, dia ho fantatro izay herin’ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny. Fa tsy amin’ny teny ny fanjakan’Andriamanitra fa amin’ny hery. Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin’ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy? Efa re hatraiza hatraiza fa misy fijangajangana atỳ aminareo; eny, fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny Jentilisa aza, fa misy olona ao aminareo manambady ny vadin-drainy. Ary ianareo indray va no mirehareha! Ary tsy nampalahelo anareo akory izany ka mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany! Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ilay nanao fihetsika toy izany, tahaka ny nanatrika teo ihany: Amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika, rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ny herin’i Jesosy Tompontsika, dia aoka hatolotra ho an’i Satana izany olona izany hanimbana ny nofony mba hahavoavonjy ny fanahiny amin’ny andron’i Jesosy Tompo. Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana manontolo? Esory ny masirasira tranainy mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy isian’ny masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; koa aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira tranainy, na amin’ny masirasiran’ny lolompo sy ny haratsiam-panahy, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. Nanoratra taminareo teo amin’ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny fatra-pitia harena sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo. Fa ny nanoratako taminareo dia ny mba tsy hiharoharoanareo amin’izay atao hoe rahalahy kanefa mpijangajanga, na fatra-pitia harena, na mpanompo sampy, na mpanala baraka olona, na mpimamo, na mpanao an-keriny. Aza miara-mihinana akory amin’ny olona toy izany ianareo. Fa ataoko ahoana moa ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo? Fa ny any ivelany dia tsarain’Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy. Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, no sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va? Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao? Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? Ny hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve dia tsy mba misy olon-kendry na dia iray akory aza, izay mahay mandamina ny adin’ny rahalahiny eo aminareo? Fa misy rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, ary izany dia ataony eo imason’ny tsy mino. Efa faharesena ho anareo ny fanananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? Kanjo ianareo indray no manao izay tsy rariny ka manambaka ny rahalahinareo. Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: Fa ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny mpaka vadin’olona, ny sodomita, ny mpangalatra, ny fatra-pitia harena, ny mpimamo, ny mpanala baraka olona ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika. Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany. Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena. Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny. Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany! Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga dia tena iray aminy? Fa hoy Andriamanitra: «Ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia iray fanahy Aminy. Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany. Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. Ny amin’ireo zavatra nosoratanareo tamiko dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory. Kanefa noho ny fijangajangana dia aoka samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy rehetra ary aoka koa samy hanana ny vadiny avy ny vehivavy rehetra. Aoka hanao izay mety hatao amin’ny vavy ny lahy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. Tsy ny vavy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny lahy; ary mba toy izany koa, tsy ny lahy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny vavy. Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’izay fotoana sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa miraisa fandriana indray aorianan’izany mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy faharetanareo. Famelana malalaka no ilazako izany fa tsy mandidy aho. Fa mba tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy avy, koa ny iray dia toy izao, ary ny iray kosa dia toy izao. Fa hoy aho amin’ny tsy manambady sy ny mpitondratena: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy. Nefa raha tsy maharitra izy dia aoka hanambady ihany; fa tsara ny manambady noho ny ho maimay. Ny manambady dia izao no andidiako azy, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Aoka tsy hisaraka amin’ny lahy ny vavy nefa raha misy efa nisaraka dia aoka hitoetra tsy manambady izy, na aoka hody amin’ny lahy; ary aoka ny lahy tsy hisaraka amin’ny vavy. Fa amin’ny sisa dia hoy aho fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino ary manaiky hitoetra aminy ihany ny vavy dia aoka tsy hisaraka aminy izy. Raha misy vehivavy manambady tsy mino, ary manaiky hitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hisaraka aminy izy. Fa ny lahy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny vavy, ary ny vavy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izay dia tsy madio ny zanakareo, kanefa masina izy. Fa raha ny tsy mino no te hisaraka dia aoka izy hisaraka. Na ny rahalahy na ny anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso anareo amin’ny fihavanana. Fa ahoana moa no ahafantaranao, Ravehivavy, na ho voavonjinao ny vadinao na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, Ralehilahy, na ho voavonjinao ny vadinao na tsia? Fa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjara nomen’ny Tompo azy sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako any amin’ny fiangonana rehetra. Misy va efa voafora fony izy voaantso? Aoka izy tsy hiova ho tsy voafora. Misy va tsy mbola voafora fony izy voaantso? Aoka izy tsy hoforana. Tsinontsinona ny famorana ary tsinontsinona ny tsy famorana; fa ny mitandrina ny didin’Andriamanitra no izy. Aoka samy hitoetra eo amin’izay efa niantsoana azy ihany ny olona rehetra. Nantsoina va ianao raha mbola andevo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao dia aleo hararaotina izany. Fa ny andevo izay voaantso ao amin’ny Tompo dia olona afaka an’ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voaantso dia mpanompon’i Kristy. Fa olom-boavidy ianareo, koa aza mety ho andevon’olona. Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra, eo amin’izay niantsoana azy avy. Fa ny amin’ny virijiny dia tsy manana didy avy amin’ny Tompo aho, nefa omeko izay hevitro araka izay niantran’ny Tompo ahy ho mahatoky. Koa heveriko fa noho ny fahoriana miseho ankehitriny dia tsara amin’ny olona ny mitoetra amin’izao ihany. Manambady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manambady va ianao? Aza mitady vady. Nefa na dia hanambady aza ianao dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanambady aza ny virijiny dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana eo amin’ny fiainany ara-nofo ireny; fa raha izaho dia tsy ta hampiditra anareo amin’izany. Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, koa aoka mba ho toy ny tsy manambady ny manana amin’izao sisa izao; aoka mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; aoka mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; aoka mba ho toy izay tsy manana ny mividy; ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao. Fa tiako tsy ho maro ahiana ianareo. Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manambady kosa dia miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo. Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony. Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy manery azy, fa afaka mifehy ny safidiny izy ka ninia tao am-pony hanaja ny fofombadiny, dia tsara ny nataony. Koa tsara ny ataon’izay mampakatra ny fofombadiny ary tsaratsara kokoa ny ataon’izay tsy mbola mampakatra azy. Voafehin’ny lalàna ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Nefa raha araka ny hevitro dia sambatra kokoa izy raha mitoetra amin’izao ihany; ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra. Ny amin’ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana dia mampieboebo, fa ny fitiavana no mampandroso. Fa raha misy mihevitra ny tenany ho mahalala zavatra dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy. Fa raha misy tia an’Andriamanitra dia izy no fantany. Ary ny amin’ny mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany. Fa na dia misy aza lazaina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany, toy ny hoe misy andriamanitra maro sy tompo maro, amintsika kosa dia iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa. Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ny sampy; koa voaloto ny fieritreretany satria malemy. Fa tsy ny hanina akory no hampifanakaiky antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika dia tsy mahazo tombony. Tandremo anefa, fandrao ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy finoana izany fahafahanareo izany. Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ny tempolin’ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ny malemy finoana hihinana izay hena naterina tamin’ny sampy koa va izany? Fa very noho ny fahalalanao ny malemy finoana, dia ny rahalahy izay navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesany! Fa raha manota toy izany amin’ny rahalahy ianareo ka mandratra ny fieritreretan’ny malemy finoana dia manota amin’i Kristy ianareo. Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko dia tsy hihinana izay hena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko. Tsy olona afaka va aho? Tsy apostoly va aho? Tsy efa nahita an’i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin’ny Tompo va ianareo? Raha tsy apostoly ho an’ny sasany aza aho dia apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase maha apostoly ahy ao amin’ny Tompo. Izany no avaliko izay manadina ahy. Moa tsy mba mahazo mihinana sy misotro va izahay? Moa tsy mba mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ny Tompo ary i Kefasy? Sa izaho sy i Barnabasy ihany va no tsy manana zo tsy hiasa? Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ny harenan’ny tenany? Iza no mamboly voaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’osy ka tsy mivelona amin’ny rononony? Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa mba milaza izany koa ny lalàna? Fa voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy hoe: «Aza manakombona ny vavan’ny omby manosihosy vary» (Deo 25.4). Ny omby va no ahian’Andriamanitra? Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana ary izay mively vary dia tokony hively amin’ny fanantenana hahazo. Raha namafy izay zava-panahy ho anareo izahay, moa tsy zava-dehibe koa va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay? Raha ny hafa aza no manana izany zo izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany zo izany izahay fa mihafy amin’ny zavatra rehetra fandrao hampisy sakana ny Filazantsaran’i Kristy. Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ny alitara dia mahazo anjara amin’ny zavatra izay natao sorona teo amin’ny alitara? Toy izany koa no nandidian’ny Tompo fa izay mitory ny Filazantsara dia hahazo fivelomana avy amin’ny Filazantsara. Nefa tsy nahavatra nitaky izany aho na dia kely akory aza; ary tsy manoratra izany mba hanaovana izany amiko aho; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako. Fa raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy misy reharehako amin’izany, satria tsy maintsy manatanteraka izany aho; fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho! Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko kosa dia natolotra ahy ho andraikitro izany. Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: Raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy asiako fandoavam-bola ny Filazantsara mba tsy hanamparako ny fahefako amin’ny Filazantsara. Fa na dia olona afaka eo anatrehan’ny olona rehetra aza aho dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako ny maro araka izay azo atao. Teo amin’ny Jiosy dia tonga toy ny Jiosy aho mba hahazoako ny Jiosy; teo amin’izay ambanin’ny lalàna dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna; teo amin’izay tsy manana lalàna dia toy izay tsy manana lalàna aho mba hahazoako izay tsy manana lalàna, kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho fa ambanin’ny lalànan’i Kristy; teo amin’ny malemy finoana dia tonga malemy finoana aho, mba hahazoako ny malemy finoana; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany amin’ny fomba rehetra. Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny Filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho. Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa dia ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa toy izany mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa dia mitady ny tsy mety ho lo. Raha izaho ary dia mihazakazaka aho, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa. Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa tao ambanin’ny rahona ny razantsika rehetra, namakivaky ny ranomasina izy rehetra, natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra, nihinana ny sakafo ara-panahy iray ihany izy rehetra, nisotro ny fisotro ara-panahy iray ihany izy rehetra; fa nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy rehetra, ary Kristy izany vatolampy izany. Nefa ny ankabeazany dia tsy sitrak’Andriamanitra fa naringana tany an-tany efitra. Izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika mba tsy hitsiriritra zava-dratsy isika toy ny nitsiriritan’izy ireny. Aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo, tahaka ny sasany tamin-dry zareo, araka ny voasoratra hoe: «Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona dia nitsangana hilalao» (Eks 32.6). Aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin-dry zareo ka telo arivo sy roa alina no ringana indray andro. Aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin-dry zareo fanahy Azy ka nahatonga azy ireny ho matin’ny menarana. Aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin-dry zareo, izay matin’ny mpandringana. Ary izany dia nanjo azy ireny mba ho anatra sady voasoratra koa ho fananarana antsika izay iharan’izao andro farany izao. Koa izay milaza azy fa mijoro tsara dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo. Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany. Koa amin’izany, ry malala, dia mandosira ny fanompoan-tsampy. Milaza toy ny amin’ny olona manan-tsaina aho; hevero izay lazaiko aminareo. Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy fiombonana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy fiombonana amin’ny tenan’i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa. Indreo ny Israely araka ny nofo; moa tsy mpiombona amin’ny alitara va izay mihinana ny fanatitra? Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra misy heviny va ny hena aterina amin’ny sampy, ary mety ho zavatra tena izy va ny sampy? Tsia, fa izay zavatra atolotry ny Jentilisa ho fanatitra dia atolony ho an’ny demonia fa tsy ho an’Andriamanitra (Deo 32.17); koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia ianareo. Tsy afaka sady hisotro amin’ny kapoaky ny Tompo ianareo no hisotro amin’ny kapoaky ny demonia; tsy afaka sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo ianareo no sady hihinana amin’ny latabatry ny demonia. Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika? Azo atao ny zavatra rehetra, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; azo atao ny zavatra rehetra, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany fa ny hahasoa ny namany. Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano fa aza manontany akory noho ny fieritreretana; fa «an’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy» (Sal 24.1). Ary raha misy amin’ny tsy mino manasa anareo ka ta handeha ianareo dia hano izay arosony eo anoloanareo fa aza manontany akory noho ny fieritreretana. Fa raha misy milaza aminareo hoe: Hena naterina tamin’ny sampy io dia aza homana noho ny amin’ilay nilaza taminareo sy noho ny fieritreretana. Fieritreretana, hoy aho, tsy ny an’ny tenanao fa ny an’ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no hotsarain’ny fieritreretan’ny olon-kafa? Fa raha amin’ny fisaorana no ihinanako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’izay anaovako fisaorana? Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny Jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra, dia tahaka ahy koa, manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany fa ny mahasoa ny maro mba hahatonga azy hovonjena. Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy. Mankasitraka anareo aho satria mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana voatolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy. Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany. Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy amin’izany. Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy. Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy. Fa tsy ny vehivavy no niavian’ny lehilahy; fa ny lehilahy no niavian’ny vehivavy. Fa tsy ny lehilahy no natao ho an’ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ny lehilahy. Izany no tokony hitondran’ny vehivavy mari-pahefana eo amin’ny lohany, noho ny amin’ny anjely. Kanefa ao amin’ny Tompo dia tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy. Fa toy ny niavian’ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy dia toy izany koa no niavian’ny lehilahy avy tamin’ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no niavian’ny zavatra rehetra. Aoka ianareo ihany no hitsara izao: Mety va raha mivavaka amin’Andriamanitra ny vehivavy ka tsy misaron-doha? Tsy mampianatra va ianareo fa, araka ny fomba naharina azy, raha lava volo ny lehilahy dia mahafa-boninahitra azy izany? Fa raha lava volo kosa ny vehivavy dia voninahitra ho azy izany, fa ny volo no nomena azy ho fisaromana. Fa raha misy olona toa tia manohitra dia tsy fanaontsika izany sady tsy fanaon’ny fiangonan’Andriamanitra. Amin’izao didy ataoko aminareo izao dia tsy mankasitraka anareo aho tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo fa hiharatsy. Fa voalohany indrindra, rehefa miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany. Fa tsy maintsy misy fisarahan-tsaina eo aminareo mba ho hita eo aminareo izay olona voazaha toetra. Koa rehefa miangona ianareo dia tsy fihinanana ny Fanasan’ny Tompo akory no ataonareo. Fa rehefa mihinana ianareo dia samy homana ny sakafony avy aloha; koa ny iray dia noana fa ny iray kosa dia mamo. Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hankasitraka anareo va aho? Tsia, tsy hankasitraka anareo amin’izany aho. Fa efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa aho, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina izay namadihana Azy iny dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy dia novakiny ilay mofo ka hoy Izy: Ity no tenako izay vakina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, ary hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny. Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fomba tsy mendrika dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy. Fa aoka ny olona handini-tena, vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany raha tsy mamantatra ny tenan’ny Tompo izy. Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo ary efa maro aza no nodimandry. Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika dia tsy mba hotsaraina. Fa raha tsaraina isika dia ahitsin’ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao. Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa. Ary raha misy olona noana dia aoka izy hihinana any an-tranony mba tsy ho meloka ianareo raha miangona. Ary ny amin’ny zavatra sisa dia halamiko rehefa tonga aho. Ny amin’ny zavatra ara-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo izany. Fantatrareo fa fony Jentilisa ianareo dia noentina tany amin’ny sampy moana, araka izay nitaomana anareo. Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka miteny hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina. Zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana nefa ny Fanahy dia iray ihany. Zarazaraina ho samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo dia iray ihany. Zarazaraina ho samihafa ny asa nefa iray ihany Andriamanitra izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. Ary ny tsirairay dia samy nomen’ny Fanahy hahay mampiseho amin’ny olona rehetra ny fanomezam-pahasoavana. Fa ny iray dia nomen’ny Fanahy teny fahendrena; ny iray dia teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany; ny iray dia finoana, amin’izany Fanahy izany ihany; ny iray dia fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, amin’izany Fanahy iray izany ihany; ny iray dia ny manao fahagagana; ny iray dia ny maminany; ny iray dia ny mahafantatra fanahy samihafa; ny iray dia ny miteny amin’ny fiteny samihafa tsy fantatra; ary ny iray dia ny mandika fiteny tsy fantatra. Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. Fa tahaka ny tena iray ihany kanefa maro ny momba azy, ary ireo rehetra momba ny tena ireo na dia maro aza dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na Grika, na andevo, na olona afaka; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. Nefa tsy iray ny momba ny tena fa maro. Raha hilaza ny tongotra hoe: Satria tsy tanana aho dia tsy mba momba ny tena, amin’izany va dia tsy momba ny tena izy? Raha hilaza ny sofina hoe: Satria tsy maso aho dia tsy mba momba ny tena, koa amin’izany va dia tsy momba ny tena izy? Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza izay fanamboloana? Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena samy ho eo amin’ny tena, araka ny sitrapony. Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena? Fa maro ny momba ny tena nefa ny tena dia iray ihany. Ary tsy mahazo milaza amin’ny tanana ny maso hoe: Tsy mila anao aho; tsy mahazo milaza amin’ny tongotra ny loha hoe: Tsy mila anareo aho. Fa vao mainka aza ilaintsika ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany. Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin’ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa; fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin’ny momba ny tenantsika. Fa tamin’ny nanamboaran’Andriamanitra ny tena dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa, mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra. Ary raha mijaly ny iray amin’ny momba ny tena dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny iray amin’ny momba ny tena dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. Ary ianareo no tenan’i Kristy ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy. Ary teo amin’ny fiangonana dia izao no nanendren’Andriamanitra azy: Voalohany apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, asa fanampiana, fitondrana ary fiteny samihafa tsy fantatra. Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra? Manana fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra? Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra. Ary indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo: Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia varahina maneno sy kipantsona mikarantsana ihany aho. Na dia manana ny fanahin’ny faminaniana aza aho ka mahalala ny zavamiafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia omeko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana dia ho levona; raha ny fiteny tsy fantatra dia hitsahatra; raha ny fahalalana dia ho foana. Fa sombintsombiny ny fahalalantsika ary sombintsombiny ny faminaniantsika; fa rehefa tonga ny tanteraka dia tsy hisy sombintsombiny intsony. Fony mbola zaza aho dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho dia nariako ny fahazazana. Fa ankehitriny isika dia mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita tsara fa manjavozavo; fa rahatrizay dia hahita mifanatrika; ankehitriny dia sombintsombiny ihany no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo. Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zavatra ara-panahy koa, indrindra fa ny haminany. Fa izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’olona fa amin’Andriamanitra; fa amin’ny fanahy no itenenany zavamiafina ka tsy misy olona mahazo izay lazainy; fa izay maminany kosa dia miteny amin’olona ho fampandrosoana sy ho fampirisihana ary ho fampiononana. Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa dia mampandroso ny fiangonana. Tiako raha samy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; kanefa aleo maminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan’ny fiangonana fampandrosoana. Raha mankeo aminareo aho izao, ry rahalahy, ka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin’izany raha tsy fanambaràna, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo? Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina izany na lokanga, na dia maneno aza ka tsy mamoaka feo samihafa, ahoana no hahafantarana izay feo ataony, na an’ny sodina izany na an’ny lokanga? Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady? Dia toy izany koa ianareo: Raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany dia hiteny amin’ny rivotra ianareo. Misy fiteny samihafa eto amin’izao tontolo izao ka samy manana ny heviny avy ireny. Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho dia ho vaka amiko izay miteny, ary izaho kosa dia ho vaka amin’izay miteny. Ary toy izany koa ianareo: Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. Koa aoka izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho dia ny fanahiko ihany no mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko. Ahoana ary no izy? Sady hivavaka miaraka amin’ny fanahiko aho no hivavaka miaraka koa amin’ny saina; sady hihira miaraka amin’ny fanahy aho no hihira miaraka amin’ny saina koa. Fa raha manao fisaorana araka ny fanahy fotsiny ianao dia hataon’izay tsy mahay ahoana no hiteny Amena raha misaotra ianao satria tsy mahafantatra izay lazainao izy? Marina fa misaotra ianao, nefa tsy mba nampandroso ny hafa izany. Misaotra an’Andriamanitra aho fa miteny amin’ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra; nefa raha ao am-piangonana dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny hafa koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra. Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ny fahalalana; raha amin’ny lolompo dia aoka ho zaza bodo aza, fa amin’ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy lehibe. Voasoratra ao amin’ny lalàna hoe: «Amin’ny olona hafa fiteny sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; nefa na amin’izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO» (Isa 28.11-12). Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana ho an’ny tsy mino fa tsy ho an’ny mino; fa ny faminaniana kosa dia ho an’ny mino fa tsy ho an’ny tsy mino. Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra dia samy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo? Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ny anatra ataon’izy rehetra izy sady hotsarain’izy rehetra; koa miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’Andriamanitra sady hilaza fa eo aminareo marina tokoa Andriamanitra. Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo dia misy te hihira, misy ta hampianatra, misy manana fanambaràna, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia avelao ho roa na telo fa aza atao mihoatra noho izany ka ampifanarakarahina izy ireo; ary avelao hisy iray mandika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny dia aoka izy hangina eo amin’ny fiangonana; fa aoka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra ihany izy. Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny fa aoka ho an’ny hafa ny hamantatra. Fa raha misy tsindrian’ny Fanahy eo am-pitoerana dia aoka hangina kosa ny voalohany; fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra mba hianaran’izy rehetra sy hampirisihana azy rehetra; ary ny fanahin’ny mpaminany dia manaiky hofehezin’izy mpaminany. Fa Andriamanitra dia tsy Andriamanitra tompon’ny fikitranana, fa Andriamanitra tompon’ny fiadanana. Araka ny fanaon’ny fiangonan’ny olona masina rehetra dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; tsy avela hiteny izy fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ny lalàna koa. Ary raha misy tiany hianarana dia aoka izy hanontany ny lahy rehefa tonga any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy. Avy aminareo va no niavian’ny tenin’Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany? Raha misy milaza azy ho mpaminany na mihevi-tena ho ara-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho anareo. Fa raha misy tsy mahalala dia avelao izy tsy hahalala. Koa amin’izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra; kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana. Ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny Filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Maty noho ny fahotantsika Kristy araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia tamin’ny roa amby folo lahy koa. Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny rahalahy maherin’ny dimanjato Izy, ny ankamaroan’ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny fa ny sasany no efa nodimandry. Rehefa afaka izany dia niseho tamin’i Jakoba Izy, avy eo dia tamin’ny apostoly rehetra. Ary ny farany tamin’izy rehetra dia izaho izay toy ny tsy tonga volana akory, dia mba nisehoany koa. Fa izaho dia kely indrindra amin’ny apostoly ka tsy mendrika hantsoina hoe apostoly satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho. Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany nasehony tamiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nomba ahy. Koa na izaho na ry zareo dia araka izany no fitorinay ary araka izany koa no ninoanareo. Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty? Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo. Dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’i Kristy; nefa raha tsy atsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy. Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy dia zava-poana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo; dia very koa izay efa nodimandry ao amin’i Kristy. Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry. Ary satria olona iray no nisehoan’ny fahafatesana dia olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany dia izay an’i Kristy amin’ny fiaviany. Ary rehefa afaka izany dia avy ny farany ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony (Sal 110.1). Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. Fa «efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra» (Sal 8.6). Fa na dia lazainy aza hoe: «Ny zavatra rehetra no nampanekena», dia mazava fa tsy mba isan’izany ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra. Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Raha tsy izany, hanao ahoana izay natao batisa hisolo ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa misolo azy? Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva? Maty isanandro aho; lazaiko marina aminareo izany, ry rahalahy, satria ianareo no reharehako ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Raha araka ny fijerin’olombelona no niadiako tamin’ny bibidia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy hatsangana ny maty dia «aoka isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty» (Isa 22.13). Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny fitondrantena tsara. Aoka ho tonga saina tsara ary aza manota; fa tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra ny sasany; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany. Fa hisy hiteny hoe: Ahoana ary no fomba hitsanganan’ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany? Ry adala! Izay afafinao dia tsy azo velomina raha tsy maty aloha; ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-barimbazaha na voa hafa; fa Andriamanitra manome azy tena araka ny sitraky ny fony, ary ny voa rehetra dia samy omeny tena mampiavaka azy avy. Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ny olona, hafa ny nofon’ny biby, hafa ny nofon’ny vorona, hafa ny an’ny hazandrano. Misy tenan’ny any an-danitra, misy tenan’ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, hafa ny an’ny etỳ an-tany. Hafa ny voninahitry ny masoandro, hafa ny voninahitry ny volana, hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana iray dia hafa voninahitra noho ny kintana iray. Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty: Afafy amin’ny fahalovana izy, atsangana amin’ny tsy fahalovana; afafy amin’ny fahafaham-boninahitra Izy, atsangana amin’ny voninahitra; afafy amin’ny fahalemena izy, atsangana amin’ny hery; afafy ny tena araka ny fomban’ny mananaina, fa atsangana ny tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ny mananaina dia misy araka ny fombam-panahy koa. Ary araka izany koa ny voasoratra hoe: «I Adama, olona voalohany no natao mananaina» (Gen 2.7); i Adama farany no natao fanahy mahavelona. Tsy izay amin’ny fanahy anefa no voalohany fa izay amin’ny mananaina, dia izay vao amin’ny fanahy. Ny olona voalohany avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra. Toy ilay avy amin’ny tany dia tahaka azy koa ilay avy amin’ny tany; ary toy izay avy any an-danitra dia tahaka azy koa izay rehetra avy any an-danitra. Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’ilay avy any an-danitra koa. Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra, ary tsy mandova ny tsy fahalovana ny fahalovana. Indro, zavamiafina no ambarako aminareo: Tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, amin’ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary hatsangana tsy ho lo intsony ny maty dia hovana isika. Fa ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: «Ny fahafatesana dia voatelina ka resy» (Isa 25.8). «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?» (Hos 13.14) Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ny ota. Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. Ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina dia mba manaova koa ianareo, toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia. Amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia samia manokana tahiry any an-tranony avy araka izay azony atao fanomezana mba tsy ho amin’ny fahatongavako vao hatao ny fanangonana izany. Rehefa tonga aho dia izay olona ankasitrahanareo no hirahiko, mitondra taratasy, hanatitra ny fanomezanareo ho any Jerosalema. Ary raha tokony handeha ho any koa aho dia hiaraka amiko ireo. Hankaty aminareo aho rehefa avy mamakivaky an’i Makedonia, fa hamakivaky an’i Makedonia mantsy aho; angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hamatsianareo ahy any amin’izay halehako. Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo fotsiny aho ankehitriny; fa manantena hijanona elaela any aminareo aho raha sitrapon’ny Tompo. Nefa hijanona any Efesosy aho mandra-piavin’ny Pentekosta; fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. Rehefa tonga i Timoty dia tandremo mba tsy hanan-tahotra izy eo anivonareo; fa ny asan’ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa vatsio tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ny rahalahy sasany aho. Ary ny amin’ny rahalahy Apolosy dia niangavy azy fatratra aho hiaraka amin’ny rahalahy hankaty aminareo, nefa tsy sitrapony mihitsy ny handeha izao; fa ho avy ihany izy rehefa misy andro mahalalaka azy. Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana! Fantatrareo ny ankohonan’i Stefanasy fa voaloham-bokatr’i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. Faly aho noho ny fahatongavan’i Stefanasy sy i Fortonato ary i Akaìko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny. Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Azia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ny Tompo i Akoila sy i Prisila mbamin’ny fiangonana izay ao an-tranony. Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma. Raha misy tsy tia ny Tompo dia aoka ho voaozona izy! Marana ta. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo. Ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. I Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, ary i Timoty rahalahy, no mamangy ny fiangonan’Andriamanitra izay any Korinto mbamin’ny olona masina rehetra manerana an’i Akaia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay. Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i Kristy. Ary raha ampahorina izahay dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay dia ho fampiononana anareo izany ka miasa amin’ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’izay entinay. Ary mafy orina tsara ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa. Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahoriana izay nanjo anay tany Azia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay ka efa saika nafoinay hatramin’ny ainay aza; eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin’ny tenanay fa amin’Andriamanitra izay manangana ny maty. Ary Izy no nahafaka anay tamin’izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka koa; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay hatrany, satria ianareo koa dia miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo, mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro. Fa izao no ataonay ho rehareha: Ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ny fahatsorana sy ny fahadiovam-po avy amin’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendrena ara-nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’izao tontolo izao, indrindra fa teo aminareo. Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ny farany, araka ny efa fantapantatrareo ihany fa reharehanareo izahay, dia tahaka anareo kosa izay reharehanay amin’ny andron’i Jesosy Tompontsika. Ary tamin’izany fahatokiana izany dia nikasa hankaty aminareo aloha aho mba hahazoanareo soa fanindroany, ary nikasa hankany Makedonia raha avy atỳ aminareo, ary hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, dia mba hovatsinareo ny diako ho any Jodia. Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny, eny foana, sy tsia, tsia foana? Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy hoe sady eny no tsia; fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy i Silasy ary i Timoty, dia tsy hoe sady eny no tsia, satria ao Aminy dia eny ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra dia ao Aminy ny eny ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay. Fa izay mampitoetra anay sy ianareo ao amin’i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. Ary miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ny fanahiko aho, fa ny fialako nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto. Kanefa tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no mahatafajoro anareo. Ny sitrapoko dia ny tsy hiverenako any aminareo indray amin’alahelo. Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany? Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao rehefa tonga aho dia hahazo alahelo amin’izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa. Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo manokana. Fa raha nisy nahatonga alahelo dia tsy izaho no nampalaheloviny fa ianareo rehetra, nefa mba tsy ho tafahoatra loatra ny teniko, dia ny sasany aminareo. Ampy ho an’izany olona izany ny fampijaliana nataon’ny maro, koa aleo kosa ianareo mamela heloka sy mampifaly azy, fandrao dia kivin’ny alahelo tafahoatra izany olona izany. Koa mananatra anareo aho mba hekenareo ny handray azy tsara amin’ny fitiavana. Fa izany koa no nanoratako mba ho fantatro izay toetranareo, na mankatò amin’ny zavatra rehetra ianareo, na tsia. Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’i Kristy, fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny teti-dratsiny. Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny Filazantsaran’i Kristy aho ka novohana varavarana ao amin’ny Tompo dia tsy tafandry mandry aho satria tsy nahita an’i Titosy rahalahiko; ary nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia. Fa isaorana anie Andriamanitra izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy ka ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay. Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay amin’izay hovonjena sy izay ho very: Amin’ny sasany dia hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana; fa amin’ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’izany zavatra izany? Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra, sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy. Moa midera tena indray va izahay? Sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho anareo, na avy aminareo? Ianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra; eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka anefa fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo. Ary manana izany fahatokiana izany eo anatrehan’Andriamanitra izahay amin’ny alalan’i Kristy. Kanefa tsy mihambo hanana fahafahana avy aminay izahay hihevitra na inona na inona avy amin’ny tenanay; fa ny fahafahanay dia avy amin’Andriamanitra izay efa nahafahanay koa ho tonga mpanompon’ny fanekena vaovao, tsy amin’ny soratra anefa fa amin’ny Fanahy; ny soratra dia mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. Fa raha ny asa fanompoan’ny fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato, no nisy voninahitra ka tsy nahabanjina ny tavan’i Mosesy ny Zanak’Israely noho ny voninahitry ny tavany izay nandalo ihany, tsy mainka hisy voninahitra va ny fanompoan’ny Fanahy? Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana dia vao mainka hanana tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana. Ary izay nisy voninahitra teo aza dia tsy manana voninahitra fotsiny amin’izao raha ampitahaina amin’ny voninahitra tonga lafatra. Fa raha ny mandalo aza no nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra dia ho rakotra voninahitra kokoa. Koa amin’izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia feno fahasahiana tokoa; tsy tahaka an’i Mosesy izay nanarona ny tavany tamin’ny fisalobonana mba tsy hibanjinan’ny Zanak’Israely ny fiafaran’izany voninahitra nihalevona izany. Fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany. Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, rehefa vakina ny tenin’i Mosesy. Kanefa rehefa miverina amin’ny Tompo izy dia hesorina ihany ny fisalobonana. Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana. Fa isika rehetra kosa dia amin’ny tava tsy misarona no ibanjinantsika ny voninahitry ny Tompo, tahaka ny amin’ny fitaratra, ka ovany hitovy endrika Aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. Ary amin’izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy very ny fahasahianay. Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra ka tsy mandeha amin’ny hafetsena ratsy, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra. Fa raha miafina ny Filazantsara torinay dia miafina amin’izay ho very, satria amin’ireny dia nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sainy tsy mino, mba tsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny Filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy izay endrik’Andriamanitra. Fa tsy ny tenanay no torinay fa Kristy Jesosy Tompo, ary mpanomponareo noho ny amin’i Jesosy izahay. Fa Andriamanitra izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, Izy no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy. Fa manana izao rakitra izao ao anaty vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy ho avy aminay. Voageja manodidina izahay nefa tsy tery; very hevitra nefa tsy mamoy fo; enjehina nefa tsy nafoy; potraka nefa tsy maty; mitondra ny fahafatesan’i Jesosy hatrany ao amin’ny tena izahay mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy. Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesosy, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesosy. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay fa ny fiainana kosa no ao aminareo. Ary satria manana izany fanahin’ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: «Nino aho ka niteny» (Sal 116.10), dia mino koa izahay ka miteny; fa fantatray fa izay nanangana an’i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin’i Jesosy ka hametraka anay eo akaikiny miaraka aminareo. Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro. Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe. Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolay izay itoerantsika etỳ an-tany dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Ary misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa; fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka. Fa isika izay amin’izao tranolay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahina fa ny mba hotafina kosa mba hatelin’ny fiainana ny mety maty. Ary izay efa nanamboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy. Koa matoky mandrakariva isika, sady fantatsika fa raha mitoetra ao amin’ny tena isika dia mitoetra ivelany ary lavitra ny Tompo, fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana; eny, matoky isika ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena fa ny hitoetra ao amin’ny Tompo. Koa dia ataontsika ho voninahitra ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra ao amin’ny tena isika na ivelan’ny tena. Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. Koa amin’izany, satria fantatray ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no resenay lahatra, fa amin’Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ny fieritreretanareo koa. Tsy midera tena aminareo akory izahay fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho etỳ ivelany ihany fa tsy amin’ny ao am-po. Fa raha very saina izahay dia ho an’Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Maty ny olona iray hamonjy ny olona rehetra, dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. Koa tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany. Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana. Koa iraka solon’i Kristy izahay, toa ny hoe Andriamanitra mihitsy no mangataka anareo amin’ny alalanay hoe: Aoka ianareo hanaiky hampihavanina amin’Andriamanitra! Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy kosa isika. Koa satria mpiara-miasa Aminy izahay dia mangataka aminareo koa mba tsy hataonareo tsinontsinona ny fahasoavan’Andriamanitra izay noraisinareo taminay. Fa hoy Izy: «Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao» (Isa 49.8). Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena. Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy hanomezana tsiny ny fanompoana; fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay ka manana faharetana tokoa amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka, amin’ny fatorana, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny tsy fahitan-tory, amin’ny fifadian-kanina, amin’ny fahadiovana, amin’ny fahalalana, amin’ny fahari-po, amin’ny fahamoram-panahy, amin’ny Fanahy Masina, amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, amin’ny teny fahamarinana, amin’ny herin’Andriamanitra, amin’ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia, amin’ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka nefa marina ihany; tahaka ny tsy fantatra nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty nefa indro, velona ihany; tahaka ny faizina nefa tsy vonoina; tahaka ny ampalahelovina nefa faly mandrakariva; tahaka ny mahantra nefa mampanankarena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza nefa manana ny zavatra rehetra. Ry Korintiana, miteny tsotra aminareo izahay, malalaka ny fonay. Tsy tery fo aminareo izahay fa ianareo no manidy ny fonareo. Ary ho setriny mifandanja amin’izany, miteny toy ny amin’ny zanako aho, aoka mba halalaka kosa ny fonareo. Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Inona no ifandraisan’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary ho oloko izy» (Lev 26.11-12). «Koa mialà eo aminy ianareo ka misaraha aminy, hoy NY TOMPO; aza manendry izay zavatra tsy madio, ary Izaho handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary ho zanako lahy sy ho zanako vavy ianareo, hoy NY TOMPO Tsitoha» (Isa 52.11-12). Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Asio toerana ho anay ny fonareo! Tsy nanao izay tsy marina tamin’olona izahay, tsy nanimba fiainan’olona izahay, tsy nanambaka olona izahay. Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo koa fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika. Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady feno hafaliana indrindra ao anatin’ny fahoriana rehetra manjo anay. Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay dia tsy nisy niainan’ny nofonay, fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra izahay: Teo ivelany, ady; tao anatiny, tahotra. Fa Andriamanitra izay mampionona ny mpandefitra no efa nampionona anay tamin’ny nahatongavan’i Titosy, ary tsy tamin’ny nahatongavany ihany fa tamin’ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo ary ny hafanam-ponareo amiko hanaiky ahy; koa vao mainka nitombo ny hafaliako. Fa na dia nampalahelo anareo tamin’ny epistily aza aho dia tsy manenina intsony, na dia efa nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany. Mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo fa noho ny nampalahelovana anareo ka nibebahanareo; fa nampalahelovina araka an’Andriamanitra ianareo ka tsy hisy na inona na inona avy aminay hitondra fahavoazana ho anareo. Fa ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mahatonga fibebahana ho famonjena tsy anenenana; fa mahatonga fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao. Eny, indro izany nampalahelovana anareo araka an’Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana fatratra tao aminareo! Eny, fialan-tsiny manao ahoana! Fahatezerana manao ahoana! Fahatahorana manao ahoana! Faniriana manao ahoana! Hafanam-po manao ahoana! Famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin’izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’izany raharaha izany ianareo. Koa na dia nanoratra taminareo aza aho dia tsy noho izay nahavita ny tsy marina, na noho izay niaritra ny tsy marina, fa mba hanehoana aminareo eo anatrehan’Andriamanitra ny hafanam-ponareo aminay. Ary noho izany dia nionona izahay. Ary tamin’ny fampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian’i Titosy, fa efa namelombelona ny fanahiny ianareo rehetra. Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina ny zavatra rehetra taminareo dia tonga marina koa ny reharehanay tamin’i Titosy ny aminareo. Ary vao mainka miraiki-po aminareo aza izy raha mahatsiaro ny fankatoavanareo rehetra, dia ny haben’ny fahatahorana sy fanajana nandraisanareo azy. Faly aho fa afaka matoky anareo amin’ny zavatra rehetra. Ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ny fiangonana any Makedonia; fa tamin’ny fahoriana be izay nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny harenan’ny fahalalahan-tanany. Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany, sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany; ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ny Tompo aloha, dia izay vao ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra. Koa dia nangataka an’i Titosy izahay mba hamita izany asa fanasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha. Nefa noho ny fanananareo ny feno amin’ny lafiny rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka hanana ny fitiavana feno koa ianareo amin’izao asa fanasoavana izao. Tsy milaza izany ho didy aho fa noho ny zotom-pon’ny sasany dia te hizaha toetra ny fahamarinan’ny fitiavanareo. Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany. Ary ambarako izay hevitro ny amin’izany, fa mahatsara anareo izany, satria ianareo no nanomboka nanao fanangonana, ary ianareo rahateo no nanapa-kevitra ny hanao izany talohan’ny hafa, hatramin’ny taon-dasa. Tanteraho hatramin’ny farany ary izany, koa tahaka ny fahazotoanareo tamin’ny famolavolana ny asa dia aoka koa ho tahaka izany ny fanatanterahana azy, araka izay anananareo. Fa raha misy ny fahazotoana dia araka izay ananana no ankasitrahana ny mpanome fa tsy araka izay tsy ananana. Kanefa tsy ny fanamaivanana ny fahorian’ny sasany no hanavesatra anareo fa ny mba hisian’ny fitoviana; koa amin’izao ankehitriny izao, ny haben’ny harenanareo no hahafaka ny fahantran’ireo ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny fahantranareo mba hampisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe: «Ny nanangona be dia tsy nanana amby ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy» (Eks 16.18). Fa isaorana anie Andriamanitra izay nanome izany fahazotoana izany koa ho ao am-pon’i Titosy ho anareo. Fa nanaiky ny fangatahanay izy sady efa nazoto rahateo izy, koa an-tsitrapo no nandehanany nankany aminareo. Ary ilay rahalahy izay re laza any amin’ny fiangonana rehetra noho ny amin’ny Filazantsara, io no nirahinay hiaraka aminy; ary tsy izany ihany fa efa notendren’ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fanomezana izao ka ataonay ho naman’ny asa fanompoanay izany, ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay. Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’izao harena be voangona sy tantananay izao; koa mikatsaka ny hanao ny tsara izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany fa eny imason’ny olona koa. Ary nirahinay niaraka tamin’ireo ilay rahalahinay izay hitanay matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro; ary ankehitriny dia vao mainka mazoto kokoa aza izy noho ny haben’ny fahatokiany anareo. Raha ny amin’i Titosy dia namako izy sady mpiara-miasa amiko eo aminareo; ary ireo rahalahinay dia iraky ny fiangonana izy ireo sady voninahitr’i Kristy. Koa amin’izany dia asehoy aminy eo imason’ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo. Fa ny amin’ny fahafoizam-pananana ho an’ny olona masina dia tsy misy tokony hanoratako aminareo. Fa fantatro ny fahazotoanareo ary nataoko rehareha tamin’ny Makedoniana ianareo hoe: Efa vonona hatramin’iny taona lasa iny i Akaia, ary ny zotom-ponareo dia nampirisika ny maro. Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao ho foana ny reharehanay ny aminareo amin’izany zavatra izany, fa mba ho vonona tanteraka ianareo araka izay voalazako. Fandrao, raha toa ka hisy hiaraka amiko ny avy atỳ Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona dia ho lasa henatra ho anay izany, mba tsy hilazana hoe henatra ho anareo. Noheveriko fa ilaina ny mangataka ny rahalahy hialoha lalana ahy hankany aminareo ka hanomana mialoha ny fanomezana izay efa nanomezanareo toky fa hataonareo, mba ho fanomezana noho ny fahalalahan-tanana izany fa tsy toy ny zavatra noterena hatao. Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely dia kely no hojinjainy; fa izay mamafy be dia be kosa no hojinjainy. Aoka ny olona rehetra samy hanome araka izay noheveriny tao am-pony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; satria «ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra» (Oha 22.8). Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra; araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany (Sal 112.9). Ary izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahamaro ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanankarena amin’ny zavatra rehetra ianareo noho ny fahalalahan-tanana samihafa asehonareo, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra. Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafa-pahasahiranana ny olona masina ihany fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa, satria ny fahitana porofo ny toetranareo manao izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra, noho ny fankatoavanareo tamin’ny fanekena ny Filazantsaran’i Kristy sy noho ny fahalalahan-tanana nasehonareo taminy sy tamin’ny olona rehetra; ary amin’ny vavaka ataony ho anareo dia maneho fitiavana anareo izy noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra aminareo. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay tononina. Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny halemem-panahy sy ny hamoram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa feno fahasahiana aminareo kosa raha tsy eo. Miangavy anareo aho: Aoka mba tsy ho amin’ny fahasahiana no hanehoako ny fahatokiako raha tonga aho; fa izany fahasahiana izany no kasaiko haseho amin’ny sasany izay milaza anay ho mandeha araka ny nofo. Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo, fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy, ary vonona hamaly ny tsy fankatoavana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fankatoavanareo. Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo. Raha misy olona matoky tena fa an’i Kristy dia aoka izy hisaintsaina izao indray: Fa tahaka ny maha an’i Kristy azy, no maha an’i Kristy anay koa. Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin’ny fahefana izay nomen’i Kristy anay ho fampandrosoana, fa tsy ho fandravana anareo, dia tsy ho menatra ny amin’izany aho. Fa tsy te hiseho ho mpampitahotra anareo amin’ny epistily nalefako aho. Fa ny epistiliny, hoy ry zareo, dia mavesatra sy mahery; nefa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny. Aoka izany olona izany hahafantatra fa tahaka ny fiteninay amin’ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay. Fa tsy sahy hilaza ny tenanay ho isan’ny sasany izay midera tena izahay, na koa hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany. Fa tsy mba hirehareha mihoatra noho izay tokony ho izy izahay fa araka izay voafaritr’Andriamanitra ho anjaranay, dia ny hahatongavanay any aminareo koa. Fa tsy toy ny olona izay tsy mbola tonga tany aminareo izahay ka ho mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa efa tonga tany aminareo tokoa tamin’ny Filazantsaran’i Kristy izahay; tsy mirehareha mihoatra ny tokony ho izy izahay ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo dia mihalehibe ao aminareo koa izahay, araka izay voafaritra ho anjaranay, sady mbola handroso ihany ka hitory ny Filazantsara any ivelan’ny faritra misy anareo, mba tsy hireharehanay amin’ny asa efa vitan’ny hafa. Fa «izay mirehareha dia aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9. 23). Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana fa izay derain’ny Tompo. Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ny hadalana kely ianareo, eny mandefera amiko ianareo! Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotro tahaka ny virijiny madio ho an’i Kristy. Fa matahotra aho, fandrao ho simba hiala amin’ny fahatsoram-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy ny sainareo, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny hafetseny. Fa raha misy olona tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na mandray fanahy hafa na Filazantsara hafa noho izay noraisinareo, dia mandefitra amin’izany ianareo. Fa ataoko fa tsy misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apostoly malaza ireo. Fa na dia olona tsy nampianarina handaha-teny aza aho dia tsy mba tahaka izany aho amin’ny fahalalana; fa tamin’ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ny olona rehetra izany. Diso va aho raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny Filazantsaran’Andriamanitra taminareo? Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo. Fa raha teo aminareo aho ka azon’ny tsy fahampiana dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa ny rahalahy izay tonga avy tany Makedonia no nanome ahy izay nilaiko; ary tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany. Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ny tany Akaia. Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala. Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany mba tsy hahafahan’ireo mitady antony hitovizany aminay. Fa apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka mampiova ny endriny ho tahaka ny apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa i Satana aza dia mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zava-dehibe ho an’ny mpanompony ny mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana. Nefa ny fiafaran’izy ireo dia ho araka ny asany ihany. Averiko indray: Aza misy milaza ahy ho adala; nefa, na dia misy milaza izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kely koa. Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo fa toa amin’ny fahadalana amin’izao fireharehana feno fahatokiana izao. Koa satria maro no mirehareha araka ny nofo dia mba hirehareha koa aho. Fa sitrakareo ny mandefitra amin’ny adala satria hendry angaha ianareo! Fa hay! Mandefitra ihany ianareo raha misy manandevo anareo, raha misy mandany ny fanananareo, raha misy misambotra anareo, raha misy manao fihetsika mihantsy anareo, raha misy mamely ny tavanareo. Manala baraka tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’izay mahasahy ny olona dia mba sahy koa aho; eny, miteny toy ny adala aho amin’izany. Hebreo va izy? Izaho koa. Israelita va izy? Izaho koa. Taranak’i Abrahama va izy? Izaho koa. Mpanompon’i Kristy va izy? Miteny toy ny olona very saina aho, izaho koa dia mpanompon’i Kristy mihoatra noho izy ireo: Amin’ny fisasarana, manan-tombo; amin’ny tranomaizina, matetika kokoa; amin’ny kapoka be, efa izay tsy izy; misedra ny fahafatesana matetika. Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy, inefapolo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin’ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra tao amin’ny lalina, nandeha matetika aho, saika nahita loza tamin’ny ony, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saika nahita loza tamin’ny tompon-tany namako, saika nahita loza tamin’ny Jentilisa, saika nahita loza tao amin’ny tanàna, saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany amin’ny ranomasina, saika nahita loza tamin’ny rahalahy sandoka, tamin’ny fisasarana sy ny fikelezana aina, tamin’ny tsy fahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana. Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isanandro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra. Iza no malemy ka tsy malemy aho? Iza no mahazo fanafintohinana ka tsy mirehitra anaty aho? Raha tsy maintsy mirehareha aho dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha. Andriamanitra, Rain’i Jesosy Tompo, izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho. Tany Damaskosy ny governora notendren’i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy; fa avy teo amin’ny varavarankely eo amin’ny manda no nampidinana ahy tamin’ny sobika ka afa-nandositra ny tanany aho. Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ny Tompo aho. Mahafantatra olona iray ao amin’i Kristy aho, tokony ho efatra amby folo taona lasa izay, na tao amin’ny tena, na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, fa ilay olona iray dia nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo. Ary mahafantatra ilay olona iray aho, na tao amin’ny tena, na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, fa nakarina ho any amin’ny Paradisa izy ka nandre teny tsy hay tenenina sady tsy azon’olombelona tononina. Ilay iray no hataoko rehareha; fa ny amin’ny tenako dia tsy hirehareha aho, afa-tsy amin’ny fahalemena ihany. Fa na dia te hirehareha aza aho dia tsy ho adala fa hilaza ny marina; nefa tsy hanao izany aho, fandrao hisy olona hihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko. Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambaràna aho dia nasiana tsilo ny nofoko; irak’i Satana hamely ahy izany, fandrao hirehareha aho. Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo mba hialan’izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny tebiteby, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako. Efa tonga adala aho! Ianareo no nanery ahy; fa tokony hoderainareo aho satria tsy latsaka noho ireo apostoly malaza ireo aho na dia tsinontsinona aza. Ny famantarana maha apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ny faharetana isan-karazany, tamin’ny famantarana, tamin’ny asa lehibe ary tamin’ny fahagagana. Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana hafa afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy amin’izany fahadisoana izany. Indro, efa fanintelony izao no nivonona hankaty aminareo aho nefa tsy hahavaky tratra anareo; ary tsy ny fanananareo no tadiaviko fa ianareo. Tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany. Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina mba hahasoa ny fanahinareo. Koa raha mitombo ny fitiavako anareo, moa va hihena ny fitiavanareo ahy? Kanefa, na izany aza, dia tsy nahavaky tratra anareo aho; fa fetsy hono aho ka tamin’ny hafetsena no nahazoako anareo! Moa nisy tamin’ireo nirahiko tany aminareo va nampiasaiko hahazoako tombontsoa? Nangataka an’i Titosy aho sady nirahiko niaraka taminy ilay rahalahy. Moa naka vola aman-karena taminareo va i Titosy? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va ny dianay? Efa ela izay no niheveranareo fa miaro tena eo aminareo izahay. Eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo. Fa matahotra aho, fandrao rehefa tonga aho dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo no hahitanareo ahy; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fifosana, fieboeboana, fikitranana; eny, fandrao rehefa tonga indray aho dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary halahelo ny maro izay nanota teo aloha aho, dia ireo izay tsy mbola nibebaka tamin’ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fanaranam-po nataony. Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. «Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra» (Deo 19.15). Efa nambarako fahiny sady mbola milaza rahateo koa aho izao, toy ny nataoko fony teo aminareo fanindroany ihany; ary ankehitriny, raha tsy eo kosa aho fa amin’izay nanota teo aloha sy amin’ny sisa rehetra dia tsy hanam-piantrana aho rehefa tonga indray, satria mitady famantarana ianareo fa miteny ato anatiko Kristy izay tsy malemy aminareo fa mahery ao aminareo kosa. Fa voahombo tamin’ny hazofijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao Aminy, nefa hiara-belona Aminy ho anareo izahay noho ny herin’Andriamanitra. Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo? Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina. Ary mangataka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay. Fa tsy mahefa na inona na inona hanoherana ny marina izahay fa hampandroso ny marina kosa. Fa faly izahay raha malemy fa ianareo no mahery; ary izao no vavaka ataonay, dia ny hahatanteraka anareo. Izany no anoratako izany zavatra izany raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho dia voatery hiasa ho amin’ny fanorenana mafy tsy azo ravana, araka ny hery izay nomen’ny Tompo ahy ho fampandrosoana fa tsy ho fandravana. Farany, ry rahalahy, mifalia, miezaha ho tanteraka, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olona masina rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. I Paoly Apostoly, tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray izay nanangana Azy tamin’ny maty, mbamin’ny rahalahy rehetra izay ato amiko, no mamangy ny fiangonana any Galatia. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika mba hanafahany antsika amin’izao vanim-potoana ratsy ankehitriny izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena! Gaga aho raha mifindra haingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa izay tsy Filazantsara akory, saingy misy ny manakorontana anareo ka ta hanova ny Filazantsaran’i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo dia aoka ho voaozona izy. Araka ny efa voalazanay no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy. Ary ankehitriny, olona va no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa mila sitraka amin’olona va aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho dia tsy mpanompon’i Kristy. Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny amin’ny Filazantsara izay notoriko, dia tsy araka ny fanaon’ny olona, satria sady tsy nandray azy tamin’olona aho no tsy mba nampianarina, fa tamin’ny fanambaràn’i Jesosy Kristy ihany. Efa renareo ny toetrako fahiny nanoloana ny fivavahan’ny Jiosy; nanenjika mafy ny fiangonan’Andriamanitra aho ka nandrava azy; nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jiosy koa, mihoatra noho ny maro indray mihira amiko eo amin’ny fireneko, sady tena fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako. Fa rehefa sitrak’Andriamanitra, izay nanokana ahy hatrany an-kibon’Ineny sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentilisa, niaraka tamin’izay dia tsy naka saina tamin’ny nofo aman-dra aho ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’izay apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia dia niverina ho any Damaskosy indray. Nony afaka telo taona dia niakatra tany Jerosalema mba hifankahalala amin’i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy nandritra ny dimy amby folo andro. Nefa ny apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakoba, rahalahin’ny Tompo. Ary indro, eo anatrehan’Andriamanitra izay zavatra soratako aminareo fa tsy mandainga aho. Rehefa afaka izany dia tonga tany amin’ny tany Siria sy Kilikia aho; ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’i Kristy, ny tarehiko. Fa nandre ihany izy ireo hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny, mitory ny finoana izay noravany fahiny. Dia nankalaza an’Andriamanitra noho ny amiko izy ireo. Nony afaka efatra amby folo taona dia niakatra tany Jerosalema indray izahay sy i Barnabasy; nentiko niaraka tamiko koa i Titosy. Niakatra araka ny fanambaràna aho ka novelabelariko taminy ny Filazantsara izay toriko any amin’ny Jentilisa, fa tamin’ny mangingina ihany teo amin’izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana. Kanefa i Titosy izay niaraka tamiko, na dia Grika aza, dia tsy mba noterena hoforana, noho ny rahalahy sandoka niditra an-tsokosoko, izay nisoko mangina hitsikilo ny fahafahantsika izay ananantsika ao amin’i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika; tsy nety nanaiky ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny Filazantsara ho anareo. Fa ny amin’ny olona izay heverina ho manan-daza indray, na nanao ahoana na nanao ahoana izy, dia tsy mampaninona ahy satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Tsy nomen’ireo saina na tamin’inona na tamin’inona aho. Hafa kosa no nataony nony hitany fa notolorana ny Filazantsara ho adidiko ho an’ny tsy voafora aho, tahaka an’i Petera ho an’ny voafora; fa Izay niasa tao amin’i Petera ka nahatonga azy ho apostoly ho an’ny voafora no niasa tao amiko koa ho an’ny Jentilisa. Ary nony fantatr’i Jakoba sy i Kefasy ary i Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana havanana ho mariky ny fiombonana izahay sy i Barnabasy mba hankany amin’ny Jentilisa, fa izy kosa dia ho any amin’ny voafora. Izao ihany no tokony hataonay: Hahatsiaro ny mahantra; nampahazoto ahy rahateo ny hanao izany. Nony tonga tany Antiokia anefa i Kefasy dia nanohitra azy teo imasony aho satria hita fa nanan-tsiny izy. Niara-nisakafo tamin’ny Jentilisa ihany mantsy izy fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin’i Jakoba. Raha vao tonga anefa ireo dia nihatakataka izy satria natahotra ireo voafora. Niara-nihatsaravelatsihy taminy koa ny Jiosy sasany ka i Barnabasy avy aza dia mba voataonan’ny fihatsarambelatsihiny. Rehefa hitako anefa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Filazantsara ireo dia hoy aho tamin’i Kefasy, teo anatrehan’ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny Jentilisa fa tsy tahaka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana moa ny Jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy? Taranaka Jiosy isika, fa tsy mba avy amin’ny Jentilisa mpanota, nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika. Amin’izany mantsy dia hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy isika fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna. Raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa isika koa aza dia hita fa mpanota, moa mpanompon’ny ota va Kristy? Sanatria izany! Raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray dia mahatsiaro tena ho diso aho. Tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho. Voahombo niaraka tamin’i Kristy tamin’ny hazofijaliana aho, koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy. Tsy manafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana dia maty foana Kristy. Ry Galatiana adala, iza no namosavy anareo? Teo imasonareo indrindra anefa no nanehoana marimarina an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana. Izao ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny nandrenesanareo ny hafatry ny finoana? Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy va ianareo dia hamarana amin’ny nofo ankehitriny? Moa va niaretanareo foana izany zavatra rehetra izany, raha dia zava-poana tokoa izany? Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ny asan’ny lalàna va no anaovany izany, sa avy amin’ny fandrenesana ny hafatry ny finoana? Koa tahaka an’i «Abrahama, nino an’Andriamanitra ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6), dia fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama. Ary satria hitan’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentilisa, dia nitory ny Filazantsara tamin’i Abrahama koa izy ka niteny hoe: «Aminao no hitahiana ny firenena rehetra» (Gen 12.3); koa izay manana finoana no tahina miaraka amin’i Abrahama, ilay mpino. Izay rehetra avy amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana; fa efa voasoratra hoe: «Voaozona izay rehetra tsy maharitra amin’ny fanatanterahana ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna» (Deo 27.26). Hita marimarina fa tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny lalàna; fa «ny marina amin’ny finoana no ho velona» (Hab 2.4). Ary ny lalàna dia tsy avy amin’ny finoana fa «izay mahatandrina izany no ho velona aminy» (Lev 18.5). Kristy no nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna satria tonga voaozona hamonjy antsika Izy; fa voasoratra hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo» (Deo 21.23), mba ho tonga amin’ny Jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy. Ry rahalahy! Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, fa na dia ny didim-pananana ataon’olona aza, rehefa vita ara-dalàna, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy azy. Tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ho an’ireo taranaka, toy ny milaza ny maro, fa toy ny milaza ny iray, «ary ho an’ny taranakao» (Gen 22.18), dia i Kristy izany. Ary izao no lazaiko: Ny didim-pananana izay nataon’Andriamanitra mafy orina fahiny dia tsy foanan’ny lalàna, izay vao telopolo sy efajato taona tatỳ aoriana, fa manjary hanafoana ny teny fikasana io raha izany. Raha avy amin’ny lalàna ny lova dia tsy avy amin’ny teny fikasana intsony; nefa tamin’i Abrahama dia ny teny fikasana no nanomezan’Andriamanitra azy. Nahoana moa no misy ny lalàna? Nomena ho fanampiny mba hisehoan’ny fahadisoana ambara-piavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana izany; anjely no nandahatra izany teo an-tanan’ny mpanalalana. Ary ny mpanalalana dia tsy an’olon-tokana, fa Andriamanitra kosa dia tokana. Moa manohitra ny teny fikasan’Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Raha nisy lalàna mahavelona nomena dia avy tamin’ny lalàna tokoa ny fahamarinana, satria ny Soratra Masina dia efa nanidy azy rehetra tao amin’ny fahotana, mba homena ny Mino noho ny finoana an’i Jesosy Kristy ny teny fikasana. Fa fony tsy mbola tonga ny finoana dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy mandra-pahatongan’ny finoana izay efa haseho atỳ aoriana. Noho izany ary dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy ny lalàna, mba hohamarinina noho ny finoana isika. Rehefa tonga kosa ny finoana dia tsy eo ambany fifehezan’izay mpitaiza intsony isika. Zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy ianareo rehetra. Koa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. Tsy misy intsony ny Jiosy sy Grika, ny andevo sy olona afaka, ny lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Fa raha an’i Kristy ianareo dia taranak’i Abrahama, koa araka ny teny fikasana, dia mpandova. Fa hoy aho: Raha mbola zaza ny mpandova dia tsy hafa noho ny andevo izy na dia tompon’ny zavatra rehetra aza, satria fehezin’ny mpitaiza azy sy mpitantana ao an-trano izy mandra-pahatongan’ny fotoana voatendrin’ny rainy. Tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao; fa rehefa tonga kosa ny fotoanandro dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny maha zanaka. Koa satria zanaka ianareo dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe: Aba! Ray ô! Koa tsy andevo intsony ianao fa zanaka; ary raha zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra. Taloha, fony mbola tsy nahalala an’Andriamanitra ianareo dia nanompo izay andriamanitra tsy izy. Ankehitriny kosa, mahalala an’Andriamanitra ianareo, kanefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo. Koa nahoana ianareo no miverina indray amin’ny fanompoana ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy dikany? Andro, volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. Ry rahalahy! Mangataka aminareo aho: Aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho koa dia efa tonga tahaka anareo. Tsy hoe nanao izay tsy marina tamiko akory ianareo; fantatrareo aza fa noho ny aretina no nitoriako ny Filazantsara taminareo tamin’ilay voalohany. Tsy nalaim-panahy hanao tsinontsinona na handa ahy noho ny aretiko ianareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’Andriamanitra; eny, tahaka an’i Kristy Jesosy aza. Aiza izao ilay fahasambaranareo? Satria vavolombelonareo aho fa raha azonareo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. Efa tonga fahavalonareo va aho satria milaza ny marina aminareo? Ny hafanam-po nasehon’ireo taminareo dia tsy tsara; fa hampisaraka anareo aminay izy mba hiraiketan’ny fonareo aminy. Fa tsara raha mazoto amin’ny tsara mandrakariva, fa tsy rehefa eo aminareo ihany aho, ry zanako, dia ianareo izay ananako faharariam-piterahana indray amin’ny fiterahana mandra-pahazoan’i Kristy endrika ao anatinareo. Te ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko, fa sahiran-tsaina ny aminareo aho. Milazà amiko ianareo izay te ho ambanin’ny lalàna: Tsy renareo va ny lalàna? Fa voasoratra hoe: I Abrahama dia nanana zanaka roa lahy, ny iray dia tamin’ny andevovavy, ary ny iray dia tamin’ny vehivavy afaka. Kanefa ilay tamin’ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ny vehivavy afaka kosa dia nateraka tamin’ny teny fikasana. Fanoharana izany. Izy roa vavy ireo dia fanekena roa: Ny iray dia avy tamin’ny tendrombohitra Sinay ka miteraka fanandevozana. I Hagara izany. Ny hoe Hagara mantsy dia tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifanandrify amin’i Jerosalema ankehitriny satria andevo izy mbamin’ny zanany. Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia olona afaka. Voasoratra mantsy hoe: «Mifalia, Ramomba, izay tsy mba miteraka; miantsoantsoa sy manaova hiakam-pifaliana ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ny manambady» (Isa 54.1). Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’Isaka. Kanefa tahaka ny tamin’izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy. Tahaka izany koa ankehitriny. Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina? «Roahy io andevovavy io sy ny zanany lahy; fa ny zanaky ny andevo dia tsy hiray lova amin’ny zanaky ny vehivavy afaka» (Gen 21.10). Noho izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika fa zanaky ny vehivavy afaka. Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray. Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. Ambarako marina amin’ny olona rehetra manaiky hoforana indray fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. Tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna. Efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo; fa izahay kosa, noho ny asan’ny Fanahy, amin’ny alalan’ny finoana no iandrasanay mafy ny fanantenana ny fanamarinana anay. Fa ao amin’i Kristy Jesosy dia samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana fa ny finoana miasa amin’ny fitiavana. Nihazakazaka tsara ianareo. Iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? Tsy avy tamin’Ilay niantso anareo izany fandresen-dahatra izany. Ny masirasira kely dia mampitombo ny koba manontolo. Matoky anareo ao amin’ny Tompo aho, fa tsy hisaina zavatra hafa noho izay sainiko ianareo. Ilay mampikorontana anareo no hiharan’ny fanamelohana, na iza izy na iza. Fa raha mbola hitory ny famorana ihany aho, ry rahalahy, inona indray no mbola hanenjehana ahy? Raha izany dia ho foana ny fahatafintohinana noho ny hazofijaliana. Enga anie ka hanamelo-tena izay mampikorontana anareo. Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, aoka tsy hifandringana! Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao. Raha tarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy mba ambanin’ny lalàna. Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany. Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany. Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana. Raha velona amin’ny Fanahy isika dia aoka handeha araka ny Fanahy. Aoka isika tsy hieboebo foana ka hifampihantsy sy hifampialona. Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao. Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy. Raha misy mihevi-tena ho zavatra, kanefa tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. Aoka hizaha toetra ny asany avy ny olona rehetra, mba ho amin’ny tenany ihany izy no afaka hirehareha, fa tsy amin’ny olon-kafa; satria samy hitondra ny anjara entany avy ny olona rehetra. Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra. Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy. Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika. Koa araka ny ananantsika fotoana, aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana. Jereo ny havaventin’ny soratra izay soratan’ny tanako ho anareo. Na iza na iza te hiseho ho tsara amin’ny nofo dia ireo no manery anareo hoforana, noho izao ihany: Fandrao enjehina noho ny hazofijalian’i Kristy izy. Na ny tenan’izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa ianareo dia tiany hoforana koa, mba hireharehany amin’ny nofonareo. Fa ny amiko dia sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany no naha voahombo an’izao tontolo izao raha ny amiko, ary naha voahombo ahy raha ny amin’izao tontolo izao. Samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny maha olom-baovao ihany. Ny fiadanana sy ny famindrampo anie no ho an’izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity sy ho amin’ny Israelin’Andriamanitra. Aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony amin’izao sisa izao; fa izaho dia mitondra ny marik’i Jesosy eo amin’ny tenako. Ho amin’ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Amena! I Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra no mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin’i Kristy Jesosy: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao Aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika rehefa notendreny rahateo tamin’ny fitiavana mba ho Azy amin’ny fananganana anaka, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, mba ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany izay nanasoavany antsika maimaimpoana tao amin’ny Malalany. Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany izay nataony be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra: Nampahafantariny antsika ny zavamiafina ny amin’ny sitrapony, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, mba hanatanterahany izany rehefa tonga ny fotoana voatendry, ka hanangonany indray ny zavatra rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany ho ambanin’ny mpitondra tokana dia Kristy. Tao Aminy koa no nandraisantsika ny anjara lovantsika, dia isika izay notendrena mialoha araka ny fikasan’Izay mahefa ny zavatra rehetra, araka izay sitraky ny fony, mba ho fiderana ny voninahiny isika izay manana fanantenana ao amin’i Kristy. Ao Aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny Filazantsara izay mamonjy anareo. Eny, ao Aminy koa ianareo, rehefa nino ka nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, mba ho fiderana ny voninahiny. Noho izany, izaho koa, rehefa nandre ny amin’ny finoanareo an’i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ny vavaka ataoko mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna mba hahalalanareo Azy tsara. Dia mba hampahiratina ny mason’ny sainareo ka ho fantatrareo ny fanantenana izay miaraka amin’ny fiantsoany sy ny harena feno voninahitra ao amin’ny lova omeny anareo miaraka amin’ny olona masina, ary mba ho fantatrareo fa lehibe tsy hita lany ny heriny izay nasehony ho antsika mpino. Izany dia nataony araka ny heriny tsy hay tohaina. Izany heriny izany no nananganany an’i Kristy tamin’ny maty sy nampitoerany Azy eo ankavanany any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra, ny fahefana, ny hery, ny fanjakana ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa. Nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho ambonin’ny zavatra rehetra sady Lohan’ny fiangonana izay tenany, dia ny fahafenoan’Izay mameno tanteraka ny zavatra rehetra. Ianareo dia maty noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato. Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika. Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo. Niara-natsangany isika ary niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy mba hasehony amin’ny andro ho avy ny harenan’ny fahasoavany tsy hita lany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy. Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany. Koa tsarovy fa fahiny ianareo dia Jentilisa araka ny nofo ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora. Eny, tsy nanana an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia tonga akaiky noho ny ran’i Kristy. Izy no fihavanantsika izay nahatonga antsika roa tonta ho iray ka nandrava ny efitry ny fisarahana: Tao amin’ny nofony no nandravany ny fifandrafiana. Nofoanany ny lalàna nisy didy natao hotandremana mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray ka nanaovany fihavanana, sady hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana izay namonoany ny fifandrafiana tao aminy. Tonga Izy nitory teny soa mahafaly nilaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana koa tamin’izay akaiky, satria Izy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny Fanahy iray. Koa tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany; ary Kristy Jesosy no vato fehizoro. Ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao Aminy koa ianareo no miaraka aorina ho fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy. Noho izany, izaho Paoly, mpifatotra noho ny amin’i Kristy Jesosy, noho ny aminareo Jentilisa, raha mba renareo mantsy ny fitantanan’Andriamanitra ny fahasoavany izay nomeny ahy noho ny aminareo, fa fanambaràna no nampahafantarana ahy ny zavamiafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo. Araka izany, raha mamaky ianareo dia ho takatrareo ny fahafantarako ny zava-niafina momba an’i Kristy, izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa. Izany dia tahaka ny fanambaràn’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany, dia ny hahatongavan’ny Jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny Filazantsara izay nanaovana ahy ho mpanompo, araka ny fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy araka ny fiasan’ny heriny. Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, mba hitory ny haren’i Kristy tsy hita lany amin’ny Jentilisa sy hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany ny fitondran’Andriamanitra ny zavamiafina, dia ilay voafina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra izay nanao ny zavatra rehetra; mba hampahafantarina amin’ny alalan’ny fiangonana an’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’izao ankehitriny izao ny lafiny maro samihafa amin’ny fahendren’Andriamanitra, araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Ao Aminy no ananantsika fahasahiana hanatona Azy amin’ny fahatokiana, noho ny finoana Azy. Noho izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka ianareo amin’ny fahoriako noho ny aminareo, fa voninahitrareo izany. Izany no antony andohalehako eo anatrehan’ny Ray izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny; ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo ka hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra hahafantatra tsara izay sakany, lavany, haavony ary halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra. Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay. Amena. Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana, mazotoa mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. Iray ny tena ary iray ny Fanahy, dia araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra. Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny refin’ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra. Koa izany no ilazany hoe: «Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy dia nitondra olona maro ho babo ka nanome fanomezana ho an’ny olona» (Sal 68.18). Ary ny amin’ny hoe: Niakatra Izy, inona moa izany, afa-tsy ny nidinany ho any ambanin’ny tany koa? Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra mba hamenoany ny zavatra rehetra. Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba ho fanomanana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra ka ho lehilahy lehibe, araka ny refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy; mba tsy ho zaza intsony isika ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fitaka itondrany ho amin’ny fahadisoana; fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy; Izy no irindran’ny tena manontolo sy iraisany tsara, noho ny fifanohanan’ny isan-tonony, araka ny asan’izay rehetra momba azy amin’izay anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana. Koa izao no lazaiko sady ambarako marina ao amin’ny Tompo: Ny mba tsy handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny Jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsy fahalalana izay ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijangajangana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fitiavam-bola. Fa ianareo kosa dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao Aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy, mba hialanareo ny toetra maha olona taloha anareo araka ny fitondrantenanareo fahiny izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. Noho izany dia esory ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra satria samy momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika. Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome toerana ho an’ny devoly. Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony, fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tanany, mba hisy homeny izay tsy manana. Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino, fahasoavana. Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana. Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana. Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina, na fahavetavetana, na resaka adaladala, na teniteny foana. Samy tsy tokony hatao, fa aleo teny fisaorana. Aoka ho fantatrareo mihitsy fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona tia vola, fa fanompoan-tsampy izany. Aza mety fitahin’olona amin’ny teny foana ianareo fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny olona tsy mankatò. Aza mety ho mpiombona aminy ianareo. Fa maizina ianareo fahiny, nefa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava satria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana. Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo, ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza. Fa ny zavatra rehetra, rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy. Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao. Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo. Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy; mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo. Misaora mandrakariva an’Andriamanitra Ray noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mifaneke amin’ny fahatahorana an’i Kristy ianareo; ny vehivavy hanaiky ny vadiny, tahaka ny anekena ny Tompo satria ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy koa izay Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy koa no haneken’ny vavy ny lahy amin’ny zavatra rehetra. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana ao amin’ny teny; mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mbola nisy mihitsy olona tsy tia ny tenany, fa mamelona sy mitaiza azy izy tahaka izay ataon’i Kristy amin’ny fiangonana, satria momba ny tenany isika. «Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Zavamiafina lehibe izany; milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana mantsy aho. Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. Anaka, ankatoavy ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo fa rariny izany. «Manajà ny ray sy ny reninao» fa izany no didy voalohany misy teny fikasana, «mba hahita soa ianao sady ho maro andro ambonin’ny tany» (Deo 5.16). Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny fanabeazana sy ny fananaran’ny Tompo izy. Ianareo mpanompo, ankatoavy amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo, ny tomponareo araka ny nofo, tahaka ny fanekena an’i Kristy ihany, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo, manompo an-tsitrapo toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olona, satria fantatrareo fa izay soa ataon’ny olona tsirairay no horaisiny amin’ny Tompo, na andevo izy na olona afaka. Ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo. Atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa any an-danitra ny Tompony sady Tomponareo koa; ary tsy mizaha tavan’olona Izy. Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. Noho izany, raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa izany dia hahafahatra ianareo. Mifahara ary ka misikìna fahamarinana. Mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo. Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy. Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, koa miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana ho an’ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava ka hiteny amin’ny fahasahiana, hampahafantatra ny zavamiafina momba ny Filazantsara. Iraka migadra noho izany aho, mba hiteny izany amin’ny fahasahiana, araka izay tokony hoteneniko. Mba hahafantaranareo izay momba ahy sy izay ataoko, dia i Tikiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra. Izy mihitsy no nirahiko hilaza izany zavatra izany aminareo mba ho fantatrareo ny momba anay, ary mba hampahereziny ny fonareo. Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena. I Paoly sy i Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy, no mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo! Misaotra an’Andriamanitra aho isaky ny mahatsiaro anareo. Mandrakariva, rehefa mivavaka ho anareo rehetra aho, dia mangataka amin’ny fifaliana, noho ny fiombonanareo amin’ny Filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy. Marina izany fiheverako anareo rehetra izany, fa ato am-poko sady mpiombona amin’ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ny fifatorako na amin’ny fiarovako sy fanamafisako orina ny Filazantsara. Andriamanitra no vavolombeloko, fa tia anareo rehetra tokoa aho amin’ny fitiavan’i Kristy Jesosy. Ary izao no angatahiko dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahaiza-mamantatra rehetra mba hamantaranareo izay zava-dehibe, mba ho madio am-po sy tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Kristy sady ho feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra. Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia vao mainka tonga fampandrosoana ny Filazantsara. Tonga fantatry ny mpiambina rehetra mbamin’ny olona hafa rehetra mantsy fa noho ny amin’i Kristy no ifatorako, ary ny ankabeazan’ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ny Tompo noho ny fifatorako ka mitombo fahasahiana hitory tsy amin-tahotra ny tenin’Andriamanitra. Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ny sasany an’i Kristy ary fikasana tsara kosa ny an’ny sasany; fitiavana ny an’ny sasany satria fantany fa voatendry ho mpiaro ny Filazantsara aho; fifampiandaniana kosa no itorian’ny sasany an’i Kristy, fa tsy mba amin’ny fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako izy. Ahoana ary? Amin’izay atao rehetra, na amin’ny fihatsarambelatsihy na amin’ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho; eny, mbola hifaly ihany. Fantatro mantsy fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanampian’ny Fanahin’i Jesosy Kristy. Fatratra tokoa ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hitsanga-menatra aho, na amin’ny inona na amin’ny inona, fa tahaka ny isanandro; eny, ankehitriny koa dia amin’ny fahasahiana rehetra no hankalazana an’i Kristy ao amin’ny tenako, na amin’ny fiainana, na amin’ny fahafatesana. Fa Kristy no antony ahavelomako ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hampahavokatra ny asako dia tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho: Maniry hiala aho ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany; kanefa ny hitoerako eo amin’ny nofo no mahasoa anareo kokoa. Matoky izany aho ka fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra mba hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo ka hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’i Kristy Jesosy, amin’ny hankanesako atỳ aminareo indray. Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ny inona na amin’ny inona. Amin’ireo fahavalo dia mariky ny fahaverezana izany, fa aminareo kosa dia mariky ny famonjena sady avy amin’Andriamanitra. Fa efa nomena fahasoavana ianareo noho ny amin’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny Aminy. Manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny. Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, amin’ny firaisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra; tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana. Noho izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho ambony indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo hatramin’izay, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra mba hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na amin’ny fikasana na amin’ny fanatanterahana mba hahatò ny sitrapony. Ataovy amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana ny zavatra rehetra mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana: Mba ho reharehako izany amin’ny andron’i Kristy ka tsy ho nihazakazaka foana na nisasatra foana aho. Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ny fanatitra sy fisoronan’ny finoanareo aza aho dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. Koa aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko. Manantena ao amin’i Jesosy Tompo anefa aho fa haniraka haingana an’i Timoty ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny momba anareo. Fa tsy manana olona mitovy firehana amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. Ny hafa rehetra dia samy mitady ny azy avy fa tsy ny an’i Jesosy Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra satria efa niara-nanompo tamiko tamin’ny Filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy. Ary izy no antenaiko hirahina haingana, rehefa hitako mazava ny momba ahy. Nefa matoky ao amin’ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy haingana koa. Nihevitra koa aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo i Epafrodito rahalahiko sady mpiray asa amiko no mpiantafika namako ary Apostoly nirahinareo hanompo sy hanome ahy izay nilaiko. Koa satria manina anareo rehetra izy dia difotra alahelo nony fantany fa renareo ny naharariany. Eny, narary saika maty tokoa izy; nefa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho. Izany no nampahazoto ahy haniraka azy mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, ary mba ho maivana kokoa ny alaheloko. Koa raiso ao amin’ny Tompo amin’ny fifaliana feno izy, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany, satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina fa mahatsara anareo izany. Mitandrema tena amin’ny amboa, mitandrema tena amin’ny mpanao ratsy, mitandrema tena amin’ny mpomba ny famorana ivelany fotsiny. Fa isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary mirehareha ao amin’i Kristy Jesosy ka tsy mitoky amin’ny nofo. Kanefa mba manana izay itokiako amin’ny nofo ihany aho. Raha misy olona mihevitra hitoky amin’ny nofo dia manoatra noho izany aho: Voafora tamin’ny andro fahavalo aho; ary avy amin’ny fototr’Israely, dia avy amin’ny fokon’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho; araka ny lalàna dia Fariseo; araka ny zotom-po dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna dia tsy nanan-tsiny. Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny maha ambony indrindra ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy no nanaovako ho fatiantoka ny zavatra rehetra ka ataoko ho toy ny taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy; ary mba ho hita ao Aminy ho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna aho, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana. Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitoviana amin’ny endriky ny fahafatesany aho, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy toy ny efa nahazo sahady aho na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy. Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho; fa zavatra iray loha no ataoko: Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha; eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hisaina toy izany; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany raha sendra manana sain-kafa ianareo. Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika. Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika. Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny kanefa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny; fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, tsy misaina afa-tsy ny zavatry ny tany izy. Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, izay hanova ny tenantsika voaetry hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiasan’ny heriny, izay ahaizany mampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambany fahefany. Ary amin’izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satroboninahitro, tomoera tsara ao amin’ny Tompo ianareo, ry malalako! Mananatra an’i Eodia aho ary mananatra an’i Sintike mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy ireo. Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny Filazantsara izy ireo, mbamin’i Klementa sy ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany. Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; hoy indray aho: Mifalia! Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa akaiky ny Tompo. Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany. Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko. Ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana. Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho satria nampitsimohanareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana izany ianareo. Tsy filan-javatra anefa no ilazako izany satria efa nianatra tsy hierina aho na manao ahoana na manao ahoana. Mahay mivelona amin’ny fahantrana aho ary mahay mivelona amin’ny fananam-be; na aiza na aiza, ary na amin’ny inona na amin’ny inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana ary hanam-be sy hahantra aho. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy. Kanefa nanao soa ianareo tamin’ny niarahanareo ory tamiko. Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny Filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho dia tsy nisy fiangonana nifampiraharaha tamiko ny amin’ny fanomezana ho ahy sy izay avy amiko, afa-tsy ianareo ihany. Fa fony tany Tesalonika aza aho dia nampanatitra zavatra hahasoa ahy indray mandeha amana indroa ianareo. Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. Manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra mani-pofona, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany. Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy. Ary ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena! Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko. Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara. Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo! I Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timoty rahalahy, no mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika. Misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika izahay ary mivavaka mandrakariva ho anareo; fa renay ny finoanareo an’i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, noho ny fanantenana izay tahirizina any an-danitra ho anareo, fanantenana efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinana dia ny Filazantsara. Io Filazantsara io dia efa tonga eo aminareo ka mamokatra sy mitombo tahaka ny eo amin’izao tontolo izao; toy izany koa ny eo aminareo, hatramin’ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahamarinan’ny fahasoavan’Andriamanitra, araka ny efa renareo tamin’i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’i Kristy mahatoky eo aminareo; izy koa no nanambara taminay ny fitiavanareo ao amin’ny Fanahy. Noho izany, izahay koa dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo hatramin’ny andro nandrenesanay, mba hofenoina ny fahalalana ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra; mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ianareo ka hanana ny faharetana rehetra sy ny fahari-po. Amin’ny fifaliana no isaory ny Ray izay nampahamendrika anareo hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita maso, Ilay Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany; Izy no talohan’ny zavatra rehetra sady ao Aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. Izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa amin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy. Fa sitraky ny Ray ho ao Aminy no hitoeran’ny fahafenoana rehetra sady Izy no hampihavanany Aminy ny zavatra rehetra ka ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana; eny, Izy hoy aho, no fampihavanana, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra. Ary ianareo izay vahiny fahiny sady fahavalo tamin’ny fomba fisainanareo sy ny asa ratsy nataonareo dia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, raha maharitra amin’ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Filazantsara izay efa renareo sady torina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo. Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho ary manatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny fiangonana. Izy no nahatonga ahy ho mpanompo, araka ny andraikitra nomen’Andriamanitra ahy teo aminareo, mba hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, dia ny zavamiafina, ilay voafina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho amin’ny olony masina kosa ankehitriny. Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra. Izy no torinay amin’ny fampitandremanay sy ny fampianaranay ny olona rehetra amin’ny fahendrena rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra. Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan’ny herin’Ilay miasa amin-kery ato anatiko. Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ny nofo, mba hampaherezina ny fony amin’ny ampiraisana azy amin’ny fitiavana ka ho feno fahatokiana be avy amin’ny fahazavan-tsaina izy, ary hahalala tsara ny zavamiafina izay an’Andriamanitra, dia Kristy, izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra. Izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina. Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho dia miaraka aminareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsy fiovan’ny finoanareo an’i Kristy. Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo dia mandehana koa ao Aminy araka izany; mifahatra tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo ka feno fisaorana amin’izany. Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy. Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra; ary ianareo dia tanteraka ao Aminy sady Izy no lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra. Tao Aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy. Fa niara-nalevina Taminy ianareo tamin’ny batisa, ary tao Aminy koa no niara-natsangana Taminy noho ny finoana ny asan’Andriamanitra izay nanangana Azy tamin’ny maty. Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsy fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Efa navelany avokoa ny fahadisoantsika rehetra; novonoiny ny didy voasora-tanana izay niampanga antsika; nesoriny izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana; noreseny ny fiandrianana sy ny fahefana ary nasehony miharihary ny fitondrany ireo amin’ny fandresen’ny hazofijaliana. Koa aza avela hisy hitsara anareo, na amin’ny fihinana, na amin’ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia Kristy. Aza mety hofitahin’ny olona amin’ny fanetren-tena diso sy ny fivavahana amin’ny anjely ianareo; mitompo amin’ny zavatra hitany izy ireny sady feno fiavonavonana noho ny fisainany ara-nofo ka tsy mihazona ny loha izay Izy no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny vanin-taolana sy ny hozatra, araka ny fampitomboana izay avy amin’Andriamanitra. Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ka mety hodidiana hoe: Aza mandray, aza manandrana, aza manendry. Levona izany rehetra izany rehefa ampiasaina, fa didy sy fampianarana avy amin’olona ihany. Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana noterena sy ny fanetren-tena diso ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery hahasakana ny fampanaranam-po ny nofo akory. Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo. Rehefa hiseho Kristy fiainantsika dia hiara-miseho Aminy amin’ny voninahitra koa ianareo. Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy. Izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny taranaka tsy mankatò. Izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo. Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo. Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny maha olona taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany. Ianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy. Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po sy ny fahatahorana ny Tompo. Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo. Satria izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony fa tsy misy fizahan-tavan’olona. Ianareo tompo, ataovy amin’ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa mba manana Tompo any an-danitra koa ianareo. Mahareta amin’ny fivavahana ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana. Mangataha koa ho anay mba hamohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny, hilazanay ny zavamiafina izay an’i Kristy, sady izany no efa namatorana ahy rahateo mba haharihariko tsara izany araka izay tokony hitenenako. Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany, hararaoty ny fotoana. Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra. Ny momba ahy rehetra dia holazain’i Tikiko aminareo, ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ny Tompo. Ny anton’ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny momba anay sy ny mba hampaherezany ny fonareo. Nirahiko koa i Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo; hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ izy roa lahy. Manao veloma anareo i Aristarko, mpiara-mifatotra amiko sy i Marka, havan’i Barnabasy; efa nomena toromarika momba azy ianareo ka raha tonga atỳ aminareo izy dia raiso. Raiso toa izany koa i Jesosy, izay antsoina hoe Josto. Avy amin’ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy. Manao veloma anareo i Epafra, ilay avy aminareo sady mpanompon’i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hijoro amin’ny fahafenoana ianareo sady hahatanteraka izay rehetra sitrapon’Andriamanitra. Vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ny any Laodikia ary ho an’ny any Hierapolia izy. Manao veloma anareo i Lioka malala, ilay mpitsabo, sy i Demasy. Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary i Nimfa sy ny fiangonana ao an-tranony. Rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity dia ataovy koa izay hamakiana azy ao amin’ny fiangonan’ny Laodikiana; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ny Laodikiana. Ary lazao amin’i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo mba hahatanterahanao izany. Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana. I Paoly sy i Silasy ary i Timoty no mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana! Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika. Fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo, fa tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany ny Filazantsara torinay fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be. Efa fantatrareo rahateo ny fitondrantenanay teo aminareo mikasika anareo. Efa nanahaka anay sy ny Tompo ianareo satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina ka tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo. Fa avy tao aminareo no nanakoako ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra ka tsy misy holazainay intsony. Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay nahazoanay miditra ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampy ka niverenanareo tamin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy izay mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy. Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo. Fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipia izahay teo aloha, araka ny fantatrareo ihany, dia nomen’Andriamanitray fahasahiana izahay hiteny taminareo ny Filazantsaran’Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana. Ary ny fananaranay dia tsy avy amin’ny fitaka na avy amin’ny fahalotoana na avy amin’ny fisolokiana. Fa tahaka ny nankasitrahan’Andriamanitra anay ka nanolorana anay ny Filazantsara ho adidinay dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’olona fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay. Fa tsy nilaza teny mandrobo na oviana na oviana akory izahay; araka ny fantatrareo ihany na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelona amin’izany; ary tsy nitady voninahitra tamin’olona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa, na dia nanana fahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay maha apostolin’i Kristy anay. Fa nalemy fanahy teo aminareo, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nampahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, dia ny hanome ho anareo, tsy ny Filazantsaran’Andriamanitra ihany fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo. Tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’alina izahay mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory aza taminareo, raha nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra taminareo. Samy vavolombelona ianareo sy Andriamanitra fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino. Fantatrareo koa fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no nampirisihanay sy nampiononanay anareo tsirairay avy sy nananaranay mafy anareo mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny. Noho izany, izahay koa, dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo izay mino koa. Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo azy ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy; ny Jiosy izay sady namono an’i Jesosy Tompo sy ny mpaminany no nandroaka anay sy tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra fa manohitra ny olona rehetra. Mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentilisa ny Jiosy mba hamonjena ny olona hafa firenena. Ary amin’izany izy dia tsy mitsahatra manampy trotraka ny fahotan’ny tenany. Farany anefa dia nahatratra azy ny fahatezerana. Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin’ny fanatreha-maso fa tsy tamin’ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo. Koa naniry hankany aminareo indray mandeha na indroa izahay, dia izaho Paoly, nefa nosakanan’i Satana izahay. Fa inona moa no fanantenanay na fifalianay na satroboninahitra reharehanay? Moa va tsy ianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fiaviany? Eny, ianareo no voninahitray sy fifalianay. Ary tamin’izany, rehefa tsy aritray intsony, dia nataonay fa mety ny hijanona irery tany Atena ka nirahinay i Timoty, rahalahinay sady mpanompon’Andriamanitra amin’ny Filazantsaran’i Kristy, mba hampahery sy hampirisika anareo amin’ny finoanareo, mba tsy hisy ho taitra amin’izao fahoriana izao; fa ny tenanareo dia mahalala fa ho amin’izao no nanendrena antsika. Fa fony teo aminareo aza izahay dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika; dia izany tokoa no nitranga sady fantatrareo fa ho izay. Noho izany koa, rehefa tsy naharitra intsony aho, dia nandefa iraka mba hahafantarako ny finoanareo, fandrao naka fanahy anareo ny mpaka fanahy ka ho foana izay nikelezanay aina. Izao anefa dia tonga atỳ aminay i Timoty, rehefa avy tany aminareo ka milaza vaovao mahafaly aminay ny amin’ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovanareo tsara anay mandrakariva, fa maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay ta hahita anareo koa. Noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin’ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo; fa velona izahay ankehitriny raha mitoetra tsara ao amin’ny Tompo ianareo. Fa inona no saotra azonay havaly an’Andriamanitra noho ny fifalianay rehetra noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitray? Mangataka fatratra andro aman’alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka izay tsy ampy amin’ny finoanareo izahay. Handamina ny lalanay ho atỳ aminareo anie Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Tompontsika. Ary hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra anie ny Tompo, dia tahaka ny itiavanay anareo koa mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny fiavian’i Jesosy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Farany, ry rahalahy, dia mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka izay nampianarinay anareo no fandehananareo, mba hankasitrahan’Andriamanitra; koa arakaraka ny andehananareo ihany no hitomboanareo bebe kokoa. Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’i Jesosy Tompo. Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana; mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra; aoka tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany raharaha izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo ihany. Fa tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana. Koa izay mandà dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra izay manome anareo ny Fanahiny Masina. Fa ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy dia tsy misy tokony hosoratako aminareo satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia. Fa manao izany ihany ianareo amin’ny rahalahy rehetra manerana an’i Makedonia. Nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa ianareo, ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ny tananareo araka izay nandidianay anareo, mba handehananareo amin’izay fitondrantena mahamendrika amin’ny eo ivelany ka tsy hiankina na amin’iza na amin’iza ianareo. Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay efa nodimandry mba tsy halahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka Aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: Isika, izay velona ka mbola ho eo amin’ny andro hiavian’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory. Fa ny Tompo, Izy tenany, no hidina avy any an-danitra, miaraka amin’ny baiko sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna ianareo amin’ireo teny ireo. Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo satria mahalala marimarina ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona milaza hoe: Miadana sy mandry fehizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. Fa ianareo, ry rahalahy, dia tsy ao amin’ny maizina ka hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika fa aoka hiambina ka hahonon-tena. Fa izay matory dia matory amin’ny alina ary izay mamo dia mamo amin’ny alina. Fa satria an’ny andro isika dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona Aminy isika, na mahatsiaro na matory. Koa mifampahereza sy mifananara, tahaka ny ataonareo ihany. Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy ireo mitondra anareo ao amin’ny Tompo ary ireo mananatra anareo. Aoka mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara ianareo. Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy: Anaro izay tsy mitoetra tsara, omeo toky ny saro-tahotra, ampaherezo ny reraka, mandefera amin’ny olona rehetra. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra. Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra. Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo manontolo ka ho voatahiry avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky izay miantso anareo sady Izy ihany no hanatanteraka izany. Ry rahalahy, mivavaha koa ho anay. Ataovy veloma amin’ny fanorohana masina ny rahalahy rehetra. Mampianiana anareo amin’ny Tompo aho mba hovakina amin’ny rahalahy masina rehetra ity epistily ity. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. I Paoly sy i Silasy ary i Timoty no mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mendrika hatao izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo ny fifankatiavanareo rehetra. Reharehan’ny tenanay eny amin’ny fiangonan’Andriamanitra ianareo noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo. Famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra ireny mba hatao ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra ianareo sady izany rahateo koa no iaretanareo. Zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, rehefa hiseho avy any an-danitra Jesosy Tompo, mbamin’ny anjeliny mahery, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny Filazantsaran’i Jesosy Tompontsika. Ireny olona ireny no hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, lavitry ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, rehefa tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy hampitolagaga azy eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany satria ninoana ny fanambarànay taminareo. Izany no angatahinay mandrakariva ho anareo mba hataon’Andriamanitsika ho mendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ny finoana mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika ary ao Aminy kosa ianareo, araka ny fahasoavan’Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo. Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo Aminy, mba tsy halaky hohozongozonina ny sainareo na hampitahorina ianareo, na amin’ny fanahy na amin’ny teny na amin’ny epistily izay toa hoe avy aminay ary milaza fa efa tonga sahady, hono, ny andron’ny Tompo. Aza mety hofitahin’olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana ka hiseho ilay lehilahin’ny ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra ary milaza ny tenany ho Andriamanitra. Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo? Ary ankehitriny dia fantatrareo ny zavatra misakana azy mba tsy hisehoany raha tsy amin’ny fotoanany. Fa miasa sahady ny zavamiafina dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny fotsiny ihany. Fa amin’izay dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny famirapiratan’ny fiaviany. Ny fiavin’ilay mpanao ratsy dia araka ny fiasan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana ary ny fahagagana mandainga rehetra sy ny famitahana momba ny tsy fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no andefasan’Andriamanitra fiasan’ny fahadisoan-kevitra aminy ka inoany ny lainga mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina fa nankasitraka ny tsy marina. Fa tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo izahay, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany mba hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina ianareo sady ho amin’izany koa no niantsoany anareo tamin’ny Filazantsara torinay mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa tomoera tsara, ry rahalahy, dia hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay na tamin’ny epistilinay. Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, Izy anie no hampionona ny fonareo sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra. Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay mba handehanan’ny tenin’ny Tompo haingana ka hankalazaina toy izao eo aminareo izao, ary mba hovonjena ho afaka amin’ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. Fa mahatoky ny Tompo izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ilay ratsy. Fa izahay dia matoky anareo ao amin’ny Tompo, fa izay zavatra ampanaovinay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa. Ny Tompo anie hampitodika ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ho amin’ny faharetan’i Kristy. Ary mangataka anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. Fa ianareo no mahalala izay tokony hianaranareo aminay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay ary tsy nihinana foana izay hanin’olona fa niasa andro aman’alina tamin’ny fikelezan’aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray aminareo akory aza; tsy hoe tsy manana zo anefa izahay fa ny mba hanoloranay ny tenanay ho fianarana ho anareo. Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay dia niteny hentitra taminareo hoe: Raha misy tsy mety miasa dia aoka izy tsy hihinana. Renay mantsy fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara ka tsy miasa akory fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona. Izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara am-pilaminana ka hihinana izay azy ihany. Fa ianareo, ry rahalahy, dia aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. Raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ity epistily ity dia mariho izany olona izany ka aza mikambana aminy mba hahamenatra azy. Kanefa aza dia atao fahavalo izy fa anaro toy ny rahalahy. Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly. Izao no famantarana eo amin’ny epistily rehetra; izao no soratro. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. I Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy araka ny didin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika, no mamangy an’i Timoty, tena zanako amin’ny finoana: Ho aminao anie ny fahasoavana, famindrampo, fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika. Araka ny nangatahiko taminao fony aho handeha any Makedonia dia aoka ianao hitoetra any Efesosy mba handraranao ny olona sasany tsy hanao fampianarana hafahafa na ho variana amin’ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga adihevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’Andriamanitra amin’ny finoana ireny. Fa ny anton’ny didy fandrarana dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy; fa fihatsarambelatsihy no nivilian’ny sasany ka nampania ho amin’ny resaka tsy misy antony. Izy ireny dia te ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany. Fantatsika anefa fa tsara ny lalàna raha entin’ny olona araka izay antony ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna fa ny mpandika lalàna sy ny mpikomy, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona mpaniratsira, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpivarotra olona, ny mpandainga, ny mpanao fianianana mandainga, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, araka ny Filazantsaran’ny voninahitr’Andriamanitra loharanom-pahasambarana, izay nankinina tamiko. Izaho dia misaotra an’i Kristy Jesosy Tompontsika, izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana, dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho satria tamin’ny tsy fahalalana noho ny tsy finoana no nanaovako ireny. Fa mitafotafo ny fahasoavan’ny Tompontsika tamin’ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’i Kristy Jesosy. Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny dia izaho no lohany. Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hanehoan’i Jesosy Kristy eo amiko izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy ka hahazoany ny fiainana mandrakizay. Ary ho an’ny Mpanjaka mandrakizay, tsy mety maty, tsy hita maso, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao mba hoentinao miady ny ady tsara, amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ny sasany, koa toy ny olona vaky sambo izy amin’ny lafin’ny finoana; naman’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy. Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika am-piadanana sy mandry fehizay amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahina eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. Fa iray Andriamanitra ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. Izany no zavatra ho fitory amin’ny fotoana voatendry. Ho amin’izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly; milaza ny marina aho fa tsy mandainga; ary koa ho mpampianatra ny Jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana. Koa tiako mba hivavaka eny amin’izay rehetra misy azy eny ny lehilahy ka manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana. Toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, nefa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vatosoa na fitafiana sarobidy, fa amin’ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra. Aoka mba hianatra amin’ny fahanginana ny vehivavy ka hanaiky tsara. Fa ny vehivavy dia tsy avelako hampianatra na hifehy ny lehilahy fa hangina ihany. Fa i Adama no natao voalohany, vao i Eva. Ary tsy i Adama no voafitaka fa ny vehivavy no voafitaka ka tonga mpanota. Nefa hovonjena ihany izy amin’ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahononan-tena. Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra fiangonana dia maniry asa tsara izy. Koa ny mpitondra fiangonana dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy fatra-pitia vola, mitondra tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara. Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana moa no fikarakarany ny fiangonan’ Andriamanitra? Tsy izay vao avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny devoly. Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly. Ny diakona koa dia toy izany ihany, ho maotina, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, mitandrina tsara ny zavamiafina ny amin’ny finoana amin’ny fieritreretana madio. Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny. Ny vehivavy koa dia ho toy izany ihany, ho maotina, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra. Aoka hanambady iray ihany ny diakona ary aoka hitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany koa izy. Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahatokiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankaty aminao haingana aza aho; fa raha tratra ela aho dia fantaro izay fitondrantena mety hatao ao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona izay andry sy fiorenan’ny fahamarinana. Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra. Fa milaza marina ny Fanahy fa amin’ny andro farany dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany ka hanaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga izay voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany. Mandrara tsy hanambady izy ireny ary mampifady hanina, izay nataon’Andriamanitra ho an’izay mino sady mahalala ny marina mba horaisiny amin’ny fisaorana. Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa ka tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany. Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany ianao dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. Fa ny anganongano ratsy fanaon’ny vaviantitra dia aza raisina, fa mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Eny, mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa indrindra amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra. Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay satria izahay dia manantena an’Andriamanitra velona izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana. Mandra-pahatongako dia tandremo ny famakian-teny sy ny fananarana ary ny fampianarana. Aza atao tsirambina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan’ny loholona. Mazotoa mihevitra ireo zavatra ireo dia mikeleza aina fatratra amin’izany mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao ka mahareta amin’izany; fa raha manatanteraka ireo ianao dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao. Aza mamely mafy loatra ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny ray izy, ny tovolahy dia toy ny rahalahy, ny vehivavy efa zokiolona toy ny reny ary ny tovovavy dia toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra. Omeo voninahitra ny mpitondratena izay tena mpitondratena tokoa. Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy dia aoka aloha ireo hianatra haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny ray aman-dreniny, fa izany no ankasitrahina eo anatrehan’Andriamanitra. Fa izay tena mpitondratena tokoa ka mipetraka irery dia manantena an’Andriamanitra ka maharitra amin’ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman’alina. Fa izay vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty fahavelony. Izany zavatra izany no ambarao hentitra mba tsy hananany tsiny. Fa raha misy tsy mikarakara ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza. Ny azo soratana ho isan’ny mpitondratena dia izay tsy latsaky ny enimpolo taona sady nanambady indray mandeha ihany. Tsy maintsy tsara laza amin’ny asa tsara izy: Raha namelon-jaza, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny azom-pahoriana, raha nazoto nanatanteraka ny asa tsara rehetra. Fa mandava kosa ny mpitondratena mbola tanora; fa rehefa mampitodika azy hanalavitra an’i Kristy ny faniriany dia ta hanambady indray izy izay. Koa meloka izy satria nandà ny fanekena nataony teo aloha. Ankoatra izay dia mianatra ho malaina miasa koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina miasa ihany fa mitati-dresaka sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy tokony hotenenina. Koa tiako raha hanambady indray ny mpitondratena mbola tanora ary hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony ka tsy hanome vahana ny fahavalo hitenenany ratsy azy. Fa efa nivily sahady ny sasany nanaraka an’i Satana. Raha misy vehivavy mpino manana havana mpitondratena dia aoka izy no hikarakara azy, fa aza avela hahavaky tratra ny fiangonana mba hikarakarany izay tena mpitondratena tokoa. Ny loholona izay mahay mitarika dia mendrika ny hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana. Fa hoy ny Soratra Masina: «Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary ianao» (Deo 25.4). Ary koa: «Ny mpiasa dia mendrika hahazo ny karamany» (Lio 10.7). Aza mandray teny hiampangana loholona raha tsy misy vavolombelona roa na telo. Izay manota dia anaro eo anatrehan’ny olona rehetra mba hatahotra koa ny sasany. Mananatra mafy anao aho eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany ka tsy hisy fizahan-tavan’olona na fanaovana na inona na inona amin’ny fiangarana. Aza malaky mametra-tanana amin’olona na iza na iza ary aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao. Aza dia rano fotsiny no atao fisotro fa misotroa divay kely noho ny am-bavafonao sy ny fahosaosanao matetika. Miharihary ny fahotan’ny olona sasany ka mialoha azy ho amin’ny fitsarana, fa ny an’ny sasany kosa dia manaraka ato aoriana. Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary na ny ankoatra izany aza dia tsy ho azo afenina. Izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tsara mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana. Izay manana tompo mpino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy satria ilay mandray ny soa ataony dia mpino sady malala. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ananaro. Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, ilay an’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fampiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, fifandirana lalandava, fanaon’ny olona ratsy saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoana tombontsoa. Fa misy tombontsoa lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra raha mahay mianina amin’izay ananana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona rehefa miala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika dia aoka hianina amin’izany. Fa izay ta hanankarena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny faharinganana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be. Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, dia mandosira ireny zavatra ireny ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro. Izaho dia mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra izay mamelona ny zavatra rehetra ary eo anatrehan’i Kristy Jesosy izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato mba hotahirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika ireo didy ireo; fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo; Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena. Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova fa hatoky an’Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika. Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra, dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy mba hihazonany ny tena fiainana. Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy. Neken’ny sasany izany ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana! I Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin’i Kristy Jesosy, no mamangy an’i Timoty, zanako malala: Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika! Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko araka ny nataon’ny razako amin’ny fieritreretana madio aho; fa tsy manam-pitsaharana ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahako andro aman’alina; ary maniry hahita anao aho mba ho feno ny fifaliako satria tsaroako ny ranomasonao; fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao amin’i Loisa renibenao sy i Eonika reninao, ary matoky aho fa ao aminao koa izany. Noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ny nametrahako ny tanako taminao. Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ianao na amiko izay mpifatony. Fa aoka ianao ho mpiombona fahoriana amiko noho ny Filazantsara araka ny herin’Andriamanitra, dia izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola. Naharihary izany ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana, koa ny Filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. Ny amin’io Filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny Jentilisa. Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, koa tsy menatra aho satria fantatro Izy izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolony ahy mandra-piavin’izay andro izay. Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko. Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tahirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika. Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Azia; isan’ireny i Figelo sy i Hermogena. Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy satria namelombelona ny fanahiko matetika sady tsy nahamenatra azy ny gadrako; fa raha tatỳ Roma izy dia nitady ahy fatratra ka hitany aho. Ny Tompo anie hampahita azy famindrampo avy amin’ny Tompo amin’izay andro izay. Ary fantatrao tsara fa be dia be ny fanompoana nataony tamiko tany Efesosy. Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky izay hahay hampianatra ny sasany kosa. Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao, tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy. Raha misy mandray anjara amin’ny fifaninanana dia tsy satrohana satroboninahitra izy raha tsy manezaka araka ny fitsipi-dalao. Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. Diniho izay lazaiko fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao. Tsarovy Jesosy Kristy izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny Filazantsara toriko, izay iaretako fahoriana hatramin’ny fifatorana aza, toy ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy mba hahazoan’ireny koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesosy, mbamin’ny voninahitra mandrakizay. Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty Aminy isika dia hiara-belona Aminy koa; raha miaritra isika dia hiara-manjaka Aminy; raha mandà Azy isika dia handa antsika kosa Izy; fa na dia tsy mahatoky Azy aza isika dia mbola mahatoky ihany Izy satria tsy afaka handa ny tenany Izy. Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona; koa anaro mafy eo anatrehan’ny Tompo izy mba tsy hampiady teny satria tsy mahasoa akory izany fa mamadika ny mpihaino. Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra izay mizara tsara ny tenin’ny fahamarinana. Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany, ary ny teniny dia hikiky tahaka ny homamiadana; isan’ireny i Himeneo sy i Fileto. Nania tamin’ny marina ireny ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mandrava ny finoan’ny sasany izy amin’izany. Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: Ny Tompo mahalala ny azy, ary koa: Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy. Fa ao amin’ny trano lehibe iray, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany dia homem-boninahitra ary ny sasany dia halam-baraka. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra. Mandosira ny filan’ny fahatanorana ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome fibebahana azy mba hahalalany tsara ny marina, dia hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. Fa aoka ho fantatrao izao: Any am-parany any dia hisy andro sarotra. Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra; manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy nefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro. Fa isan’ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana, entin’ny filana maro, mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina. Ary tahaka ny nanoheran’i Jana sy i Jambra an’i Mosesy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana; izy ireny dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina. Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo roa lahy ireo koa. Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy dia henjehina. Fa ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka kosa dia handroso hiharatsy kokoa; sady mamitaka izy no fitahina. Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano. Fa mahonòna tena kosa ianao amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. Fa izaho dia efa hatolotra ho fanatitra aidina sahady ary efa mba akaiky ny andro fialako. Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho. Hatramin’izao dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa. Ataovy izay hahatongavanao haingana atỳ amiko, fa efa nandao ahy i Demasy, noho ny fitiavany izao fiainana izao dia lasa nankany Tesalonika izy; i Kreska dia nankany Galatia, i Titosy dia nankany Dalmatia. I Lioka ihany no ato amiko. Alao i Marka ka ento miaraka aminao fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy. I Tikiko dia nirahiko ho any Efesosy. Ilay akanjobe navelako tany Troasy tao amin’i Karpo dia ento raha mankaty ianao. Ento koa ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra. I Aleksandra, mpanefy varahina, dia nanisy ratsy ahy be loatra. Ny Tompo hamaly azy araka ny asany. Tandremonao ihany izy iny fa nanohitra fatratra ny teninay. Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa izy rehetra. Mba tsy hisaina ho helony anie izany! Nitsangana teo anilako anefa ny Tompo ka nampahery ahy mba ho tanteraka tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny ary mba ho ren’ny Jentilisa rehetra izany. Ary izaho dia novonjena teo am-bavan’ny liona. Ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena! Veloma any amin’i Prisila sy i Akoila mbamin’ny ankohonan’i Onesiforosy. Nitoetra tany Korinto i Erasto, fa i Trofimo dia nilaozako tany Mileto satria narary izy. Ataovy izay hahatongavana atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobolo, i Poda, i Lino ary i Klaodia mbamin’ny rahalahy rehetra. Homba ny fanahinao anie ny Tompo! Ho aminareo anie ny fahasoavana! I Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy apostolin’i Jesosy Kristy, mba hampandroso ny finoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mifanaraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola; fa tamin’izay andro voatendry dia nasehony tamin’ny toriteny izay natolotra ho adidiko ny teniny, araka ny didin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika; ho an’i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika: Ho aminao anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika. Izao no namelako anao tany Kreta dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka, ary hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka izay nandidiako anao: Ho olona tsy manan-tsiny ny loholona, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra. Fa ny mpitondra fiangonana dia tokony ho tsy manan-tsiny, tahaka ny mpitandrina ny an’Andriamanitra izy, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto; fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahafehy tena, mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra. Fa maro no maditra, mpiteniteny foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ny voafora; tsy maintsy hotampenam-bava ireo fa mampivadika fianakaviana maro sady mampianatra izay tsy mety mba hahazoany harena maloto. Hoy ny iray amin’ireny izay mpaminany teo aminy: Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby masiaka, kamo be tenda. Marina ireo teny vavolombelona ireo. Noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana ka tsy hitandrina ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didin’ny olona izay mivily miala amin’ny fahamarinana. Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa samy voaloto na ny sainy na ny fieritreretany. Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy ireny nefa mandà Azy amin’ny asany. Olona tsy maha te ho tia sady mpikomy ary tsy mahavita asa tsara na dia iray aza izy ireny. Fa ianao kosa dia milazà izay mendrika ny fampianarana tsy misy kilema. Anaro hahonon-tena ny lehilahy zokiolona, ho maotina, ho hendry ary hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana. Ny vehivavy zokiolona koa dia anaro hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara, mba hampianarany ny vehivavy tanora ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra. Anaro hahonon-tena koa ny lehilahy tanora; amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao madio sy maotina, ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo kianina, mba ho menatra izay manohitra satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony mba hanao izay ankasitrahany amin’ny zavatra rehetra fa tsy hamalivaly, tsy hangala-tety, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra. Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra izay famonjena ny olona rehetra. Izany dia mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao fa ny mba ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, eo am-piandrasana ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy. Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara. Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao! Mampahatsiarova azy hanaiky izay mitondra sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra. Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina, izay narotsany betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Mahatoky ireo teny ireo, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, ho an’izay mino an’Andriamanitra ka mieritreritra hamirapiratra amin’ny asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany. Fa halaviro kosa ny fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady teny ny amin’ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray mandeha na indroa, dia ialao satria fantatrao fa efa mivadika izay manao izany ka sady manota izy no manamelo-tena koa. Rehefa maniraka an’i Artema na i Tikiko ho atỳ aminao aho dia miezaha hankany amiko any Nikopolia ianao fa mikasa handany ny ririnina any aho. Vatsio tsara i Zena mpahay lalàna sy i Apolosy mba tsy hisy izay hanahirana azy. Aoka koa ny olontsika hianatra hazoto amin’ny asa tsara mba hahazoany izay zavatra tena ilainy fa tsy mba ho isan’izay tsy mamokatra izy. Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Veloma any amin’izay rehetra tia antsika amin’ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana! I Paoly, mpifatotra noho ny amin’i Kristy Jesosy, sy i Timoty rahalahy, no mamangy an’i Filemona, ilay malalanay sy mpiara-miasa aminay, mamangy an’i Apia anabavinay koa sy i Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho raha mahatsiaro anao amin’ny vavaka ataoko satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ny amin’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra. Mba hiasa mafy ho an’i Kristy anie ny fiombonana avy amin’ny finoanao, amin’ny fahalalana ny zavatra tsara rehetra izay ao anatintsika! Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, ry rahalahy, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina. Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’i Kristy handidy anao amin’izay mendrika aza aho dia aleoko, izaho Paoly izay efa antitra sady mpifatotra noho ny amin’i Kristy Jesosy no miangavy anao ankehitriny noho ny fitiavana. Eny, miangavy anao aho ny amin’ny zanako izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia i Onesimosy, ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa mahasoa antsika ankehitriny; dia ianao sy izaho; averiko atỳ aminao indray izy izay sombin’ny aiko. Saika nohazoniko tatỳ amiko izy mba hanompo ahy hisolo anao eto amin’ny fifatorako noho ny Filazantsara, nefa raha tsy mahalala izay hevitrao aho aloha dia tsy ta hanao na inona na inona mba tsy ho toy ny an-tery ny soa ataonao fa an-tsitrapo. Izany angamba no nialany vetivety teo aminao mba hanananao azy mandrakizay, tsy ho toy ny andevo intsony anefa fa mihoatra noho ny andevo: Rahalahy malala indrindra ho ahy izy, mainka fa ho anao, na ao amin’ny nofo na ao amin’ny Tompo. Koa raha ataonao fa namanao aho dia raiso toa ahy izy. Raha nanao izay tsy marina taminao izy na nitrosa taminao dia ataovy ho anjarako izany. Izaho Paoly no manoratra izany amin’ny tanako, izaho no handoa izany, mba tsy hilazako aminao fa ianao mihitsy indray no manan-trosa amiko. Eny, ry rahalahy, mba ataovy ho fifaliako avy aminao ao amin’ny Tompo izany; ampandrio ny saiko noho ny amin’i Kristy. Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, koa fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao. Ary izao koa: Mba anomany efitrano hitoerako aho; fa manantena aho fa hahazo fahafahana noho ny vavaka ataonareo. Manao veloma anao i Epafra, mpifatotra namako ao amin’i Kristy Jesosy, i Marka, i Aristarko, i Demasy ary i Lioka, mpiara-miasa amiko. Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo. Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany izay voatendriny ho mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny; rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy dia nipetraka eo ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. Fa anjely iza no mba nilazany hoe: «Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7)? Ary koa: «Izaho ho Rainy ary Izy ho Zanako» (2Sam 7.14)? Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe: «Ary aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany» (Sal 97.7). Ary ny anjely dia ilazany hoe: «Manao ny anjeliny ho rivotra Izy ary ny mpanompony ho lelafo» (Sal 104.4). Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: «Ny sezafiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; ary ny tehin’ny fahitsiana no tehim-panjakanao. Tianao ny fahamarinana fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanosotra diloilom-pifaliana Anao mihoatra noho ny namanao» (Sal 45.6-7). Ary izao koa: «Ianao, TOMPO ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, ary asan’ny tananao ny lanitra; ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra; ho rovitra toy ny fitafiana izy rehetra, ary toy ny lamba no hamalonanao azy, dia toy ny fitafiana izay hovana; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra» (Sal 102.25-27). Fa anjely iza no mba nilazany hoe: «Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao»? (Sal 110.1) Tsy fanahy manompo va izy rehetra, irahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena? Ary amin’izany dia tsy maintsy hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. Fa raha tanteraka ny teny izay nampilazaina ny anjely ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana dia hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika, dia ny famonjena izay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, ary izay nandre dia nanamafy izany tamintsika kosa, sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samihafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony. Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay. Fa nisy iray nanambara eo amin’ny teny iray hoe: «Inona ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona no amangianao azy? Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy; ny zavatra rehetra dia efa nampanekenao ho eo ambanin’ny tongony» (Sal 8.4-6). Fa tamin’ny nampanekeny Azy ny zavatra rehetra dia tsy nisy izay tsy nampanekeny Azy. Nefa ankehitriny dia mbola tsy hitantsika fa efa ampanekena Azy ny zavatra rehetra. Fa ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy mba hanandrana ny fahafatesana hoenti-mamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa Andriamanitra no anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra. Rehefa mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra Izy dia tandrify Azy ny hitondra ny Tompon’ny famonjena azy ireo ho amin’ny fahatanterahana amin’ny alalan’ny fahoriana. Fa iray ihany no niavian’izy roa, na izay manamasina, na ireo izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hiantso ireo hoe rahalahy, raha hoy Izy hoe: «Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao» (Sal 22.22). Ary koa: «Raha Izaho dia hametraka fitokisana Aminy Aho». Ary izao koa: «Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra Ahy.» (Isa 8.17-18) Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza dia mba nandray izany koa Izy mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. Fa hita marina fa tsy anjely fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny. Koa amin’izany dia mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. Fa satria nalaim-panahy tamin’ny fahoriana noentiny ny tenany dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, diniho tsara ny Apostoly sy ny Mpisoronabe izay ekentsika, dia Jesosy izay mahatoky eo anatrehan’ny nanendry Azy, tahaka an’i Mosesy koa tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo. Fa Izy dia natao mendrika hanam-boninahitra noho i Mosesy, araka ny ananan’ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. Ary i Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo, mba ho vavolombelona hanambara izay zavatra mbola holazaina; fa Kristy kosa dia Zanaka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiana sy firavoravoana ateraky ny fanantenana. Koa araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe: «Anio, raha mandre ny feony ianareo dia aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an-tany efitra, izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy tamin’ny nizahany toetra Ahy, nefa dia nahita ny asako efapolo taona izy. Koa tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka niteny hoe: Ireo dia maniasia amin’ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny lalako. Izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.7-11). Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona. Fa mifananara isanandro raha mbola atao hoe Anio, fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota. Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika raha mihazona mafy ny fiandohan’ny fahatokiantsika hatramin’ny farany; raha lazaina hoe: «Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana» (Sal 95.7-8). Fa iza moa no nahatezitra Azy rehefa nandre? Tsy izay rehetra noentin’i Mosesy niala tany Ejipta va? Ary iza no nahatezitra Azy efapolo taona? Tsy izay nanota va, dia ireo niampatrampatra tany an-tany efitra ny fatiny? Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky? Dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsy finoany. Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ny fitsaharany aza isika dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. Fa isika koa dia nitoriana Filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy satria tsy nitondra finoana tao amin’izay nandre azy. Fa isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: «Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.11), na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ny teny iray, araka izao: «Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito» (Gen 2.3). Ary amin’izao teny manaraka izao koa: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy! Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana Filazantsara tamin’ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsy finoany, dia mametra andro iray indray Izy, na dia efa ela taorianan’izany aza, milaza amin’ny alalan’i Davida hoe: Anio, araka ny voalaza teo hoe: «Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo» (Sal 95.7-8). Fa raha i Josoa no nanome azy fitsaharana dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorianan’izany. Koa dia mbola misy Sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy. Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka izany koa. Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika. Koa satria manana Mpisoronabe lehibe izay lasa namakivaky ny lanitra isika, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka hihazona ilay efa nekentsika isika. Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany. Fa ny Mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanolotra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota. Izy dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ny fahalemena ihany; ary noho izany dia tsy maintsy hanolotra fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany. Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’i Arona. Dia toy izany koa Kristy: Tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe fa Ilay niteny taminy hoe: «Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7). Ary toy ny lazainy eo amin’ny teny hafa koa hoe: «Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka» (Sal 110.4). Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana niaraka tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, ary nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra fankatoavana tamin’izay fahoriana noentiny Izy, na dia Zanaka aza. Ary rehefa nahatanteraka izany Izy dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mankatò Azy ka nambaran’Andriamanitra hoe Mpisoronabe araka ny fomban’i Melkizedeka. Ny amin’izany dia manana teny maro sady sarotra hazavaina izahay satria lalodalovana ny sofinareo. Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fotoana efa ela dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary ianareo dia mbola toy izay tokony homen-dronono fa tsy ventin-kanina. Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana satria mbola zazabodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra, ary fampianarana ny amin’ny batisa sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. Izany no hataontsika raha avelan’Andriamanitra. Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manala-baraka Azy. Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ny olona nambolena azy dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra; fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana. Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena. Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. Mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany, mba tsy ho ketraka ianareo fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana. Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’i Abrahama, ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ny tenany Izy ka niteny hoe: «Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao» (Gen 22.17). Ary araka izany, rehefa naharitra tsara i Abrahama dia nahazo izay nampanantenain’ny teny fikasana. Fa ny olona dia mianiana amin’izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny ka hampitsahatra ny fifandirana rehetra. Ary amin’izany, mainka fa raha Andriamanitra ta haneho ny tsy fiovan’ny sitrapony amin’ny mpandova araka ny teny fikasana, dia nataony mafy orina tamin’ny fianianana izany, mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no sady hahazoantsika fampirisihana mafy, dia isika izay nitady fialofana amin’ny fihazonana ny fanantenana napetraka eo anoloantsika. Izany fanantenana izany no ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba; tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha lalana antsika, rehefa tonga Mpisoronabe mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka Izy. Fa io Melkizedeka io dia mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’i Abrahama rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitsodrano azy sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra aza. Raha adika ny anarany, ny heviny voalohany dia mpanjakan’ny fahamarinana aloha, izay vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ny fiadanana. Izy dia tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana andro niandohana na fiafaran’ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra ary mitoetra ho mpisorona mandrakizay. Hevero ny halehiben’io lehilahy io izay nomen’i Abrahama patriarka ny ampahafolon’izay tsara tamin’ny zavatra nobaboiny. Ary izay avy tamin’ny taranak’i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolonkarena amin’ny olona araka ny lalàna, dia amin’ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’i Abrahama aza ireny; izay tsy isan’ny firazanan’ireo akory no nandray ny fahafolonkarena tamin’i Abrahama sy nitsodrano ilay nanana ny teny fikasana. Tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tsodrano amin’ny lehibe noho ny tenany. Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolonkarena, fa any kosa dia izay ambara fa velona. Ary azo lazaina aza fa i Levy, izay mandray ny fahafolonkarena, dia mba nandoa ny fahafolonkarena koa tao anatin’i Abrahama, satria mbola tao an-kibon’ny rainy ihany izy tamin’ny nitsenan’i Melkizedaka an’i Abrahama. Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ny fisoronan’i Levy, fa tamin’izany no nahazoan’ny olona ny lalàna, ahoana no mbola ilàna mpisorona hafa hiseho araka ny fomban’i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina araka ny fomban’i Arona? Fa raha ovana ny fisoronana dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. Fa izay nolazaina amin’izany teny izany dia avy tamin’ny firenena hafa izay tsy nisy olona nanompo teo amin’ny alitara. Fa hita marimarina fa avy tamin’i Joda no nisehoan’ny Tompontsika, ary izany foko izany dia tsy nisy nolazain’i Mosesy akory rehefa niteny ny amin’izay ho mpisorona izy. Ary vao mainka hita mazava kokoa indray izany raha misy mpisorona hafa miseho ka tahaka an’i Melkizedeka izay natao tsy araka ny lalànan’izay didy araka ny nofo fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana. Fa izao no nambara ny Aminy: «Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka» (Sal 110.4). Eny, foana ny didy teo aloha noho ny halemeny sy noho izy tsy nahasoa, fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona, ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra. Ary tahaka an’i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin’ny fianianana, nefa ny hafa dia natao mpisorona tsy tamin’ny fianianana, fa Izy kosa dia tamin’ny fianianana nataon’ilay nilaza taminy hoe: «Efa nianiana NY TOMPO ka tsy hanenina: Ianao no mpisorona mandrakizay» (Sal 110.4). Dia tahaka izany no nanaovana an’i Jesosy ho mpiantoka ny fanekena tsara lavitra. Fa natao maro ireny mpisorona ireny satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra izy; fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana satria maharitra mandrakizay Izy; koa amin’izany dia mahavonjy tanteraka izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. Fa Mpisoronabe tahaka izany no mendrika ho antsika: Dia izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, miavaka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra. Izy dia tsy mila hanolotra fanatitra isanandro tahaka ny ataon’ireny Mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, vao noho ny an’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany raha nanolotra ny tenany Izy. Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho Mpisoronabe; fa ny tenin’ny fianianana kosa, izay tato aorianan’ny lalàna, dia manendry ny Zanaka izay tonga amin’ny fahatanterahana mandrakizay. Amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia ilay mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra ka manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely izay naorin’ny Tompo fa tsy nataon’olombelona. Fa ny Mpisoronabe rehetra dia tendrena hanolotra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy. Koa raha etỳ ambonin’ny tany Izy dia tsy mba ho mpisorona akory satria efa misy rahateo ireo manolotra ny fanomezana araka ny lalàna, dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: «Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra» (Eks 25.40). Fa ankehitriny dia fanompoana ambony lavitra noho ny an’ireny ny Azy, dia araka ny nanaovana Azy ho mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra. Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany dia tsy mba nilaina hotadiavina ny fanekena faharoa. Fa manome tsiny ny olona Izy hoe: «Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy sy nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa tsy nitoetra tamin’ny fanekeko izy ireny, ary Izaho koa dia tsy nitandrina azy, hoy NY TOMPO. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy ka hiteny hoe: Mahalalà NY TOMPO! Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra; fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany» (Jer 31.31-34). Rehefa milaza izy hoe vaovao dia noheveriny fa efa ela ny fanekena voalohany. Fa izay tratra ela sy mihaantitra dia efa madiva ho levona. Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nanana fitsipika ny amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitoerany masina etỳ an-tany. Fa nisy tabernakely voavoatra: Ny efitra voalohany dia ilay atao hoe ny fitoerana masina izay nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra ary ny mofo atao fanatitra. Tao ambadiky ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe ny fitoerana masina indrindra. Tao no nisy alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny vata misy ny Fanekena izay voapetaka takelaka volamena manontolo; ary tao anatin’io no nisy ny vilany volamena izay nisy ny mana sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka ary ny vato fisaky ny Fanekena; ary teo ambonin’io koa ny kerobima misy voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana; tsy ho voalaza tsirairay ny amin’ireo ankehitriny. Rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo dia miditra eo amin’ny tabernakely voalohany hatrany ny mpisorona hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana. Fa ny faharoa kosa no idiran’ny Mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra raha tsy mitondra ra izay atolony noho ny amin’ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ny olona amin’ny tsy fahalalana; koa izany no anambaran’ny Fanahy Masina fa mbola tsy voaseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany; fanoharana ho amin’izao andro ankehitriny izao izany, ary araka izay no anolorana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretany, fa momba ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina ary ny fisasana samihafa, dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hatao mandra-piavin’ny fotoana fanavaozana izany. Fa Kristy kosa, tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy. Namakivaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra izay tsy nataon-tanana Izy; izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao. Niditra indray mandeha monja tao amin’ny fitoerana masina Izy, nefa tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany dia ampy ahazoana fanavotana mandrakizay ho antsika. Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenon’ny vantotra ombivavy afafy amin’izay voaloto no manamasina ka manadio ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona. Ary noho izany dia mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany; izany dia mba hahazoan’izay voaantso ny teny fikasana ny amin’ny lova mandrakizay. Fa raha misy didim-pananana dia ilaina ny hahafantarana ny fahafatesan’ilay nanao ny fanekena. Fa manan-kery ny didim-pananana rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy manan-kery kosa izany raha mbola velona ilay nanao azy. Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy ra. Fa rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna dia nalainy ny ran’ny zanak’omby sy ny ran’osilahy mbamin’ny rano sy ny volon’ondry jaky ary ny hisopa ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra; dia hoy izy: «Ity no ran’ny fanekena izay nandidian’Andriamanitra anareo» (Eks 24.8). Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa. Saiky diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka. Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ireny ny tandindon’ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’izay fanatitra tsara noho ireny. Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa mankany an-danitra mihitsy; ary ankehitriny Izy dia miseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika; ary tsy niditra Izy mba hanolotra ny tenany matetika, tahaka ny Mpisoronabe miditra ao amin’ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran’ny zavatra hafa; fa raha izany dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanolorany ny tenany. Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, koa rehefa afaka izany dia hisy fitsarana, dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, fa ho famonjena kosa amin’izay miandry Azy. Eny, ny lalàna dia mitondra aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ireny. Ny lalàna dia tsy mahatonga ho tanteraka ny olona izay manatona ka mitondra fanatitra atolotra tsy tapaka isan-taona. Fa raha tsy izany dia tsy ho nitsahatra va ireny fanolorana fanatitra ireny ka ireo izay mandray anjara amin’izany fanompoam-pivavahana izany dia ho efa voadio indray mandeha ary tsy henjehin’ny fieritreretany ny amin’ny fahotany intsony? Kanefa amin’ireny fanatitra ireny dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe: «Tsy mba nilainao ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, fa tena no namboarinao ho Ahy; Tsy sitrakao ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota; dia hoy Aho: Inty Aho tonga, ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy, hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô» (Sal 40.6-8). Rehefa voalaza taloha hoe: Tsy ilainao ary tsy sitrakao ny fanatitra alatsa-dra, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra noho ny ota, dia ireny atolotra araka ny lalàna ireny, dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny tenan’i Kristy indray mandeha monja ho fanatitra. Ny mpisorona rehetra dia mitsangana isanandro manao fanompoam-pivavahana sy manolotra ireny fanatitra ireny ihany matetika, saingy tsy mahaisotra ny ota ireny; fa Izy kosa, rehefa avy nanolotra fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Koa hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. Manambara izany amintsika koa ny Fanahy Masina; fa rehefa voalazany hoe: «Izao no fanekena hataoko aminy rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao am-pony ny lalànako sady hosoratako ao an-tsainy; ny fahotany sy ny helony dia tsy hotsarovako intsony» (Jer 31.33-34). Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony. Koa amin’izany, ry rahalahy, dia manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy, amin’izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namakivaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony izany, sady manana mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’Andriamanitra isika. Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio; aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana; ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro. Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. Izay manohitra ny lalànan’i Mosesy dia maty amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo. Manao ahoana kosa ary, araka ny hevitrareo, ny hamafin’ny fampijaliana tokony hihatra amin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka nanao ny ran’ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ny fahasoavana? Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36). Zavatra mahatahotra no ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona. Fa tsarovy ny andro fahiny izay niaretanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana rehefa nandray ny mazava ianareo; indraindray dia natao ho faneso noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa dia tonga naman’izay azon’izany. Fa sady niara-niaritra tamin’izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra. Koa aza manary ny fahatokianareo izay misy valisoa lehibe. Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Fa «rehefa afaka fotoana kelikely dia ho tonga ilay ho avy fa tsy hitaredretra». Ary «ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; fa raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahiko» (Hab 2.3-4). Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy. Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Fa izany no nahatsara laza ny Mpino taloha. Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao ka tsy izay zavatra hita maso no nanaovana izao zavatra hita izao. Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina ka izany no nanambaràna azy fa marina satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony. Ary amin’izany, na dia maty aza izy dia mbola miteny ihany. Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; koa dia tsy hita izy satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy. Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hita; koa izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana. Finoana no naneken’i Abrahama rehefa nantsoina hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; dia niainga izy na dia tsy fantany aza izay halehany. Finoana no nivahinianany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin-dry Isaka sy i Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy ka Andriamanitra no tompo-marika sy mpanao izany. Ary na i Saraha aza dia finoana koa no nandraisany hery hanana anaka rehefa nitsaha-jaza izy satria nataony fa mahatoky ilay efa nanome ny teny fikasana. Koa avy tamin’ny iray, izay efa toy ny maty, no niavian’ny maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina izay tsy hita isa. Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa mbola tsy nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy. Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy. Ary raha toa ka nahatsiaro ny tany nialany izy dia ho nahita fotoana hiverenany. Fa amin’izany dia ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra. Ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy. Finoana no nanoloran’i Abrahama an’Isaka raha nozahan-toetra izy; eny, ny zanany lahitokana no natolotr’ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, dia ilay nilazana hoe: «Avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao» (Gen 21.12). Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana na dia ny maty aza; ary ohatry ny avy tamin’izany no nandraisany azy. Finoana no nitsofan’Isaka rano an’i Jakoba sy i Esao ny amin’ny zavatra ho avy. Finoana no nitsofan’i Jakoba rano ny zanak’i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, sady nivavaka izy no niankina tamin’ny lohan’ny tehiny. Finoana no nilazan’i Josefa ny fialan’ny Zanak’Israely, rehefa ho faty izy, ary ny nanafarany ny amin’ny taolany. Finoana no nanafenan’ny ray aman-drenin’i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka, satria hitany fa zaza tsara tarehy izy, ary tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka. Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao rehefa lehibe izy; nifidy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra mantsy izy toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana; nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, satria nijery lavitra ny valisoa izy. Finoana no nandaozany an’i Ejipta ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita izay tsy hita izy. Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny ra, fandrao hamono izay lahimatoa Israelita ilay mpandringana. Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, fa mba nandraman’ny Ejiptiana izany ka voatelina ireo. Finoana no nampirodana ny mandan’i Jeriko rehefa nohodidinina hafitoana. Finoana no tsy nahafaty an’i Rahaba janga niaraka tamin’ireo tsy mpino satria nandray ny mpisafo tany tamin’ny fihavanana izy. Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro raha milaza ny amin’i Gideona sy i Baraka ary i Samsona sy i Jefta aho, ary koa i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany, izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa tamin’ny fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny afo midedadeda, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nohatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady ka nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa. Nisy vehivavy nandray ny azy efa maty, tamin’ny fananganana azy ho velona indray; nampijalijaliana ho faty ny sasany, nefa tsy nety nanao izay hahafahany mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra; ary ny sasany dia niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa; notoraham-bato izy, notsofàna, nampijaliana, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; tsy nanana na inona na inona, ory, fadiranovana; nefa izao tontolo izao dia tsy mendrika ho nitoerany akory; nirenireny tany an-tany efitra izy, tany an-tendrombohitra, tany an-johy ary tany an-dava-tany. Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana; fa Andriamanitra efa nanamboatra izay tsara lavitra ho antsika mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa eo koa isika. Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara ilay niaritra ny fanoherana nataon’ny mpanota Taminy, fandrao ho ketraka ianareo ka ho reraka ny fanahinareo. Ianareo dia mbola tsy nanohitra niady tamin’ny ota hatramin’ny fahalatsahan-dra. Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe: «Anaka, aza atao ho zavatra kely ny fanitsiana ataon’NY TOMPO, ary aza reraka raha anariny; fa izay tian’NY TOMPO no ahitsiny ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny» (Oha 3.11-12). Fanitsiana no anton’ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo toy ny zanaka; fa iza moa no zanaka tsy ahitsin’ny rainy? Fa raha tsy ahitsy tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo dia zazasary fa tsy zanaka. Ary isika koa dia nanana ny raintsika ara-nofo ho mpanitsy antsika, ary nanaja azy isika; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy ka ho velona isika? Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: «Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra dia hotoraham-bato izany» (Eks 19.12-13), ary satria mampahatahotra ny fahitana, dia hoy i Mosesy: «Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho» (Deo 9.19). Fa ianareo kosa dia efa tonga eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina, amin’ny fihaonam-pifaliana sy ny fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ny fanahin’ny olona marina izay efa natao tanteraka, sy amin’i Jesosy, Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary amin’ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’i Abela. Tandremo mba tsy holavinareo izay miteny. Fa raha izy ireo dia tsy afa-nandositra tamin’ny nandavany ilay nilaza ny tenin’Andriamanitra taminy tetỳ ambonin’ny tany, mainka fa isika, raha miodina miala amin’ilay avy any an-danitra, izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin’ny feony; fa ankehitriny dia efa nanao teny fikasana Izy hoe: «Indray maka indray dia tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa» (Hag 2.6). Ary ny hoe indray maka indray dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan’izay zavatra tsy ampihorohoroina. Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika dia aoka isika hanana fahasoavana hoentintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana; fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo 4.24). Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Aza manadino ny fampiantranoana vahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. Tsarovy izay mifatotra ka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampijalina satria manana vatana mety mijaly koa ianareo. Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra. Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5). Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6) Tsarovy ny mpitondra anareo izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany ka araho ny finoany. Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Aza mety avilin’ny fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo fa tsy amin’ny hanina izay tsy mahasoa akory ny mahavatra azy. Isika manana alitara izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. Fa rehefa noentin’ny Mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny. Noho izany, Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. Koa aoka isika hivoaka hankeo Aminy eo ivelan’ny toby ka hitondra ny latsa izay noentiny. Fa tsy manana tanàna maharitra isika etỳ fa mitady ny ho avy. Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra. Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra. Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho mba hampidina ahy haingankaingana kokoa ho atỳ aminareo. Ary Andriamanitry ny fiadanana, izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena! Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, aoka ianareo hahazaka izao teny fananarana izao; fa efa nanoratra epistily fohifohy ho anareo ihany aho. Aoka ho fantatrareo fa efa afaka i Timoty rahalahintsika; koa raha tonga haingana izy dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. Mampamangy any amin’izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay any Italia dia manao veloma anareo. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana! Amena! I Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo no mamangy ny foko roa amby folo monina any am-pielezana. Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona. Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hisalasala akory; fa izay misalasala dia toy ny alondranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Koa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo ny olona toy izany: Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra. Aoka ny rahalahy izay mahantra hanao ny fanandratana azy ho reharehany; ary ny mpanankarena kosa dia amin’ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy. Fa miposaka ny masoandro mbamin’ny hainandro mahamay; mampalazo ny ahitra izany ka mihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Toy izany koa no ho falazon’ny mpanankarena amin’ny raharaha ataony. Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy! Fa rehefa voazaha toetra izy dia handray ny satroboninahitry ny fiainana izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy. Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hiteny hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy. Fa tsy azon’ny ratsy alaim-panahy Andriamanitra, sady tsy mba maka fanahy olona. Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. Aza mety hofitahina ianareo, ry rahalahy malalako: Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fivadihana. Fa tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny tenin’ny fahamarinana mba ho isika no santatry ny zavatra noforoniny. Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana tafahoatra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena ao aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mankatò azy dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra; fa mijery ny tenany izy dia lasa ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io. Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mahafehy ny lelany fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany. Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: Ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany ary ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao. Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo ny Tompontsika be voninahitra, dia Jesosy Kristy. Raha misy olona miditra eo amin’ny sinagoganareo ka misy peratra volamena amin’ny rantsantanany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona mahantra sady miakanjo ratsy, raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro! Moa tsy manavakavaka va ianareo amin’izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny mahantra amin’izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy? Kanefa ianareo dia nanala baraka ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy ireny va no mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana? Tsy izy ireny koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo? Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18), dia tsara no hataonareo. Fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo dia manota ka hohelohin’ny lalàna ho mpanota. Na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha dia meloka amin’izy rehetra. Fa Ilay niteny hoe: «Aza mijangajanga», no niteny koa hoe: «Aza mamono olona» (Eks 20.13, 14). Raha toa tsy mijangajanga ianao kanefa mamono olona ihany dia mpandika ny lalàna ianao. Aoka hiteny sy hiasa araka izay mahamendrika anareo ianareo izay olona hotsarain’ny lalànan’ny fahafahana. Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary izay mamindra fo kosa dia tsy mba matahotra ny fitsarana. Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandro ka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany? Toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy. Fa angamba hisy hiteny hoe: Ianao dia manam-pinoana, ary izaho dia manana asa. Asehoy amiko tsy amin’ny asa ary ny finoanao, ary izaho kosa dia haneho aminao ny finoako amin’ny asako. Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra. Tsara izany ataonao izany: Ny devoly koa dia mba mino izany ka mangovitra. Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? Tsy nohamarinina tamin’ny asa va i Abrahama razantsika tamin’ny nanolorany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa. Koa tanteraka ny Soratra Masina milaza hoe: «Ary i Abrahama dia nino an’Andriamanitra ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6), ary natao hoe «Sakaizan’Andriamanitra» izy (Isa 41.8). Koa hitanareo amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona fa tsy amin’ny finoana ihany. Toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny lalan-kafa? Fa maty ny tena raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy misy asa. Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra avokoa ianareo rehetra satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika mpampianatra. Mety diso amin’ny zavatra maro mantsy isika rehetra. Raha misy olona tsy mba mety diso amin’ny teniny dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany manontolo koa. Raha asiantsika lamboridy amin’ny vavan’ny soavaly mba hanarahany antsika dia mitondra ny tenany manontolo isika. Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ny rivotra mahery, dia ahodin’ny familiana kely foana izy ho any amin’izay tian’ny mpitondra azy. Toy izany koa ny lela, taova kely izy kanefa mirehareha fatratra. Indro afo kely monja dia mahadoro ala lehibe! Afo koa ny lela, faharatsiana tsy hita lany: Eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena manontolo ka mandoro izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny afobe izy. Folaka avokoa ny karazana bibidia rehetra sy ny vorona ary ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina. Eny, voafolaky ny olombelona ireny, nefa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy hay tohaina izy sady feno poizina mahafaty. Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao araka ny endrik’Andriamanitra. Avy amin’ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany? Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva na ny voaloboka mamoa voan’aviavy? Toy izany koa ny loharano masirasira dia tsy mba ivoahan’ny rano mamy. Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany, amin’ny fahalemem-panahy sy fahendrena. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fiheveran-tena ho zavatra ao am-ponareo dia aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. Izany fahendrena izany dia tsy ilay avy any ambony fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny demonia. Fa izay misy fialonana sy fiheveran-tena ho zavatra dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra. Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana ao amin’ny fihavanana dia afafin’izay mikatsaka ny fihavanana. Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany? Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka. Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany satria diso fangataka fa mba holaninareo amin’ny filanareo fotsiny. Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy. Heverinareo va fa miteniteny foana ny Soratra Masina hoe: Ny fanahy izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ny fahasaro-piaro. Nefa lehibe kokoa ny fahasoavana omeny, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra dia manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34). Koa maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina! Oria sy mitomania ary midradradradrà! Aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody fanjoretana ny fifalianareo! Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo dia hanandratra anareo Izy. Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna fa mpitsara. Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao no mitsara ny namanao? E! Ianareo izay miteny hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra dia hahazo tombom-barotra; kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo! Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo; miseho vetivety dia levona. Fa aleo miteny hoe: Raha sitrapon’ny Tompo ka velona izahay dia hataonay izao na izany. Fa izao, mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Koa izay mahalala hanao soa nefa tsy manao soa dia heloka ho azy izany. E! Ianareo manankarena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay manjo anareo! Ny harenanareo dia efa simba ary ny fitafianareo dia efa lanin’ny kalalao. Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary izy harafesina no vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Namory harena amin’ny andro farany ianareo! Indro, mitaraina ny karamany izay hazoninareo ny mpiasa nijinja ny taninareo; ny tolokon’ny mpijinja dia tonga any am-poto-tsofin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Niaina tamin’ny fiadanana tetỳ ambonin’ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; nafahinareo toy ny amin’ny andro famonoana biby hohanina ny fonareo. Nanameloka sady namono ny marina ianareo ary tsy manohitra anareo izy. Mahareta tsara ary, ry rahalahy, mandra-piavin’ny Tompo. Indro ny mpiasa tany miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa ianareo, ampaherezo ny fonareo fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo. Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; indro ny Mpitsara dia efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana. Ry rahalahiko, raiso ho fianarana ny fiaretana fahoriana sy ny fahari-po teo amin’ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo. Indro, ambarantsika ho sambatra izay efa niaritra! Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary hitanareo ny anjara nomen’ny Tompo azy tamin’ny farany, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo. Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza. Fa aoka ny Eny ataonareo dia ho Eny, ary ny Tsia ataonareo dia ho Tsia, fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo. Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka ho azy. Ny vavaka atao amin’ny ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy dia havela ny helony. Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana. Ny fiasan’ny vavaka ataon’ny marina dia tena mahery. I Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary nahery nivavaka izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany aloha ny ranonorana nandritra ny telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy dia nandatsaka ranonorana ny lanitra ka nahavokatra ny tany. Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy iray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka marobe. I Petera, Apostolin’i Jesosy Kristy, no mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia sy Bitinia, dia olom-boafidy araka ny fahalalana mialoha izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fankatoavana sy ny famafazana ny ran’i Jesosy Kristy: Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho amin’ny fotoana farany. Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fizahan-toetra maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho antom-piderana sy voninahitra ary fankalazana amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy ny finoanareo voazaha toetra, izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza. Na dia tsy hitanareo akory aza Izy dia tianareo; ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza Izy kanefa inoanareo dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy hay tononina sady be voninahitra, sady mandray ny anton’ny finoanareo ianareo, dia ny famonjena ny fanahy. Ny momba izany famonjena izany no nodinihin’ny mpaminany sy nokarohiny fatratra, dia ireo naminany ny fahasoavana ho anareo; eny, nokarohiny ny momba izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ny Fanahin’i Kristy tao anatiny raha nambarany mialoha ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voambara aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny Filazantsara taminareo tamin’ny Fanahy Masina izay nirahina avy tany an-danitra. Izany zavatra izany dia mahaliana ny anjely tokoa ny hijery azy. Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy. Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra satria voasoratra hoe: «Ho masina ianareo, satria masina Aho» (Lev 11.44). Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahiniananareo etỳ. Fa fantatrareo fa tsy tamin’ny zavatra mety ho simba, na volafotsy na volamena no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala izay nolovanareo tamin’ny razanareo, fa tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, toy ny tamin’ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, Izy no efa fantatra mialoha, talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao, fa naseho kosa amin’izao andro farany izao noho ny aminareo izay mino an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ny maty ka nanome voninahitra Azy, mba hiorenan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra. Koa satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy mihatsaravelatsihy dia mifankatiava fatratra amin’ny fo madio. Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra. Fa «ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay» (Isa 40.6-8). Izany no tenin’ny Filazantsara izay notorina taminareo. Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra, fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena, raha efa nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo. Izy no hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ny olona, nefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra. Ary ianareo koa dia atsangana tahaka ny vato velona ho trano ara-panahy, ho fisoronana masina, mba hanolorana fanatitra ara-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Fa misy teny ao amin’ny Soratra Masina milaza hoe: «Indro, mametraka vato fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady sarobidy, ary izay mino Azy dia tsy hitsanga-menatra» (Isa 28.16). Koa ny voninahitra dia ho anareo izay mino. Fa amin’izay tsy mino kosa, «ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no tonga fehizoro» (Sal 118.22), «ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka» (Isa 8.14). Ary satria tsy nanaiky ireo dia tafintohina tamin’ny teny izy sady izany koa no nanendrena azy. Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga; dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos 2.25). Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny. Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny Jentilisa, mba ho eo amin’izay anendrikendrehany anareo indrindra ho mpanao ratsy no hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiany. Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka satria ambony izy, na ny mpanapaka satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra ka hampanginanareo amin’ny fanaovan-tsoa ny tsy fahalalan’ny olona adala; fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra. Manajà ny olona rehetra, tiava ny rahalahy, matahora an’Andriamanitra, manajà ny mpanjaka. Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. Fa fahasoavana ny fitondrana alahelo sy fandeferana amin’ny tsy rariny noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. Fa inona no laza raha toa kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka miaritra an’izany? Fa raha toa ka manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy miaritra dia fahasoavana eo anatrehan’Andriamanitra izany. Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany; «Izay tsy nanota akory sady tsy nisy fitaka teo am-bavany» (Isa 53.9); raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina; ary Izy no nitondra ny fahotantsika (Isa 53.12) tao amin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana anareo» (Isa 53.5). Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa 53.6) nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo. Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; koa raha misy aza tsy manaiky ny teny dia ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza, rehefa hitany ny fitondrantenanareo izay madio sy feno fanajana. Ary aoka ny fihaingoanareo tsy ho ny zavatra ivelany, toy ny taovolo manaitra sy ny firavaka volamena na ny fitafiana marevaka, fa ny toetra miafina ao am-po, amin’ny fihaingoana tsy mety ho lo, dia ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana, izay sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra. Fa tahaka izany no nihaingoan’ireo vehivavy masina fahiny izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; dia tahaka an’i Saraha izay nanaiky an’i Abrahama ka nilaza azy hoe tompoko. Koa ianareo no tonga zanany amin’ny fanaovana ny soa ka tsy hanahy na inona na inona fampitahorana. Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. Farany, miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena. Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana. «Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa dia aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hikatsaka azy. Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy» (Sal 34.12-16). Ary iza no hanisy ratsy anareo raha mazoto amin’izay tsara ianareo? Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo. Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana; koa manàna fieritreretana tsara. Amin’izany dia ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy ka manendrikendrika anareo. Fa tsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa, raha izany ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-dratsy. Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, dia izay tsy nanaiky fahiny, raha niandry tamin’ny fahari-po Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa ka mbola namboarina ny sambofiara izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ary namonjena azy ny rano. Izany dia tandindon’ny batisa izay mamonjy anareo koa ankehitriny; tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa izany fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, izay eo ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka nampanekena Azy ny anjely, ny fahefana ary ny hery. Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy dia raiso mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa nitsahatra tamin’ny ota mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra. Amin’izany dia gaga izy ireo satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany ka teneniny ratsy; nefa hampamoahin’Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy. Fa noho izao no nitoriana ny Filazantsara tamin’izay maty aza mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy. Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena mba ho afaka hivavaka ianareo. Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12). Mifampiantranoa ka aza mimonomonona. Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa. Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo, toy ny hoe misy zava-mahagaga manjo anareo. Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny. Sambatra ianareo raha haratsina noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra no mipetraka aminareo! Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra na mpanao ratsy na mpitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa. Fa raha misy mijaly satria Kristiana dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy. Fa tonga ny andro iantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ary raha miantomboka amintsika izany dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny Filazantsaran’Andriamanitra? Ary «raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hahazo ny mpanota?» (Oha 11.31). Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny tenany ho an’Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy. Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy sady mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy, tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo. Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34). Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro; ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22). Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao. Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amena! Manoratra teny fohifohy ho anareo aho ka hampitondraina an’i Silasy izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mampahery anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra. Tomoera tsara amin’izany ianareo. Izay any Babilona, voafidy sahala aminareo, dia manao veloma anareo, ary i Marka zanako koa. Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy anie ny fiadanana! I Simona Petera, mpanompo sy apostolin’i Jesosy Kristy, no mamangy izay efa nahazo finoana sarobidy tahaka ny anay, amin’ny fahamarinan’i Jesosy Kristy, Andriamanitra sy Mpamonjy antsika: Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany. Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana. Noho izany indrindra dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, koa amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Fa raha anananareo izany zavatra izany sady anananareo betsaka dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia jamba; tsy mahajery lavitra izy sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny. Noho izany indrindra, ry rahalahy, mazotoa kosa hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Fa raha manao izany zavatra izany ianareo dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay. Fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay izay an’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Koa hampahatsiaro anareo mandrakariva ny amin’izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza ka efa tafaorina tsara amin’ny fahamarinana izay efa eo aminareo ianareo. Fa raha mbola eto amin’ity tranolay ity aho dia ataoko fa mety ny hanaitaitra ny fahatsiarovanareo satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny tranolaiko, araka izay nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa. Koa hataoko izay azoko atao mba hisy hotsarovanareo mandrakariva izany zavatra izany rehefa maty aho. Fa tsy mba niankina tamin’izay anganongano noforonin’ny hafetsen’ny saina izahay raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany. Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy raha tonga taminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo hoe: «Ity no Zanako malalako izay sitrako» (Mat 17.5). Renay io feo avy tany an-danitra io raha niaraka taminy tany amin’ny tendrombohitra masina izahay. Ary manana ny teny faminaniana natao mafy orina kokoa isika ka tsara ny ataonareo raha mitandrina izany ianareo, fa toy ny jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina izany, mandra-pahazava ny andro ka miposaka ao am-ponareo ny kintana fitarikandro. Fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy. Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hampiditra fampianaran-diso an-tsokosoko mahavery ary mitondra azy handa ny Tompo izay nanavotra azy aza. Hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany izany. Maro no hanaraka ny fanaranam-pony amin’ny ratsy ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ny fahamarinana. Amin’ny filana harena maloto sy ny teny mamitaka no hivarotany anareo. Ho an’ireny olona ireny dia efa hatry ny ela no niasa ny fitsarana azy ary tsy matoritory ny fahaverezany. Fa raha tsy navelan’Andriamanitra ny anjely izay nanota fa noroahiny ho any amin’ny helo ka nafatony tamin’ny gadra tao amin’ny maizina mba hotahirizina ho amin’ny fitsarana, ary raha tsy namela ny tontolo taloha Izy fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, mbamin’izy fito mianaka, fony tonga tamin’ny tontolon’ny ratsy fanahy ny safodrano, ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony ohatra ho an’izay ratsy fanahy atỳ aoriana, fa i Lota, lehilahy marina kosa izay ory dia ory noho ny fanaranam-pon’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka, fa izany lehilahy marina izany izay nitoetra teo anivon’ireo, dia nahory loatra ny fanahiny marina isanandro isanandro ny fahitany sy ny fandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna; raha izany rehetra izany dia hain’ny Tompo ny hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fizahan-toetra sy ny hitahirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana, indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahamboniana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra. Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ny tanjaka sy ny hery, dia tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy ireny eo anatrehan’ny Tompo! Fa ireo kosa dia tahaka ny biby tsy manan-tsaina, zavamananaina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono; miteny ratsy ny zavatra tsy fantany izy; ho lo amin’ny fahalovan’ny biby izy ary hiharan’ny tsy fahamarinana ho valin’ny tsy fahamarinany. Mahafinaritra azy ny velona vetivety amin’ny fy; feno pentimpentina sy tsiny izy ary faly mamitaka anareo raha miara-mihinana aminareo; ny masony dia feno fijangajangana ary tsy mety mitsahatra amin’ny fahotana; mamitaka ny tsy miorina tsara izy; zatra amin’ny fitiavana harena maloto ny fony; olona voaozona izy. Efa niala tamin’ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan’i Balama, zanak’i Beora, izay tia ny tambin’ny tsy fahamarinana, nefa voaanatra izy noho ny fahotany: Ny boriky moana dia nanao feon’olona ka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany. Ireny dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka tahirizina ho azy ny haizina mikitroka. Fa mandoka fatratra ny zava-poana izy ireny ka ireo izay vao mba nandositra niala tamin’ireo diso lalana indray no taominy ho amin’ny filan’ny nofo sy ny fanaranam-po; fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalovana; fa izay maharesy ny olona no manandevo azy. Fa raha misy efa afaka tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, dia tonga ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny amin’izany olona izany. Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana akory izy, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: «Ny amboa no miverina indray amin’ny loany» (Oha 26.11), ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray. Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho anareo ankehitriny, koa izy roa dia samy entiko hampifoha fahatsiarovana ao aminareo, amin’ny fisainana mazava, mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina taloha sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay noentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo. Fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka milaza hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza. Fa minia ho jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady tamin’alalan’ny rano no nampivondrona azy, tamin’ny tenin’Andriamanitra, ary rano nanafotra koa no nandravana izao rehetra izao; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia voatahirin’izany teny izany ho amin’ny afo amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: Ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra ka ho may avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao dia tokony hanao ahoana moa ny fitondrantena masina sy ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra ka manantena sady manafaingana ny fiavian’ny Andron’Andriamanitra izay handevona ny lanitra amin’ny afo ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana. Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly rahalahy malalantsika taminareo koa, araka ny fahendrena nomena azy. Izany koa no ataony ao amin’ny epistiliny rehetra, izay ilazany izany zavatra izany; amin’ireny dia misy zavatra saro-pantarina, izay avilin’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany. Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amena! Izay efa hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Tenin’ny Fiainana, fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo mba hahazoanareo fiombonana aminay koa. Ary ny fiombonanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Ary izao zavatra izao no soratanay mba ho tanteraka ny fifaliantsika. Ary izao no teny renay Taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao Aminy. Raha hoy isika: Manana fiombonana Aminy isika kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena isika, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary ny teniny dia tsy ato anatintsika. Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa. Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika dia ny fitandremantsika ny didiny. Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra. Izany no ahafantarantsika fa ao Aminy isika. Izao no ahafantarantsika fa ao Aminy isika: Izay milaza fa mitoetra ao Aminy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo fa didy ela izay efa nanananareo hatramin’ny voalohany. Ny didy ela dia ilay teny efa renareo. Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo Aminy sy eo aminareo satria miala ny maizina ary ny mazava marina no mamirapiratra ankehitriny. Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy. Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany satria ny maizina no nahajamba ny masony. Manoratra aminareo zanaka aho satria voavela ny helokareo noho ny anarany. Manoratra aminareo ray aho satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. Rankizy, izao no ora farany. Araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy sady maro ny antikristy no efa tonga sahady, dia izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Avy teto amintsika ihany no nialan’ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha toa ka namantsika izy dia ho nitoetra teto amintsika ihany; kanefa niala izy mba haseho fa tsy namantsika izy rehetra. Fa ianareo kosa dia manana hosotra avy amin’Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra. Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsy fisian’ny lainga avy amin’ny marina. Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa. Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ny voalohany, no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ny voalohany dia hitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo. Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ny olona mamitaka anareo. Ary ny aminareo dia ilay hosotra noraisinareo Taminy no mitoetra ao aminareo ka tsy mila hampianarin’olona ianareo; fa satria ny hosotra avy Aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao Aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo. Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao Aminy, mba hananantsika toky rehefa miseho Izy ka tsy hiala Aminy amin-kenatra amin’ny fiaviany. Raha fantatrareo fa marina Izy dia fantaro fa izay rehetra manao ny fahamarinana no zanany naterany. Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy. Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa rehefa miseho Izy dia ho tahaka Azy isika ka ho hitantsika Izy amin’izay tena maha Izy Azy. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina Aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Ary fantatrareo fa Izy no naseho mba hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao Aminy. Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo. Izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. Izay manota dia avy amin’ny devoly satria ny devoly dia manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota satria ny voany dia mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra. Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny fahamarinana sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: Tsy maintsy mifankatia isika; tsy ho tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ny rahalahiny. Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’izao tontolo izao ianareo. Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany. Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: Izy no nanolotra ny ainy noho ny amintsika; ary isika kosa dia mba tokony hanolotra ny aintsika noho ny amin’ny rahalahy. Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina. Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika dia manana toky eo anatrehan’Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika avy Aminy satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika. Ary izao no didiny dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao Aminy, ary Izy kosa ao aminy. Izany no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy izay nomena antsika. Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra; ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady. Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao. Isan’izao tontolo izao ireny ka miteny araka ny an’izao tontolo izao izy ary mihaino azy izao tontolo izao. Avy amin’Andriamanitra izahay; izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay; izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny fiviliana. Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra eto amintsika: Andriamanitra dia naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: Tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia mba tokony hifankatia kosa isika. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. Ary izahay dia efa nahita ka manambara fa ny Ray no naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra. Ary isika dia mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana, ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy. Izany no ahatanterahan’ny fitiavana amintsika, mba hananantsika toky amin’ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’izao tontolo izao. Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana. Isika tia satria Izy no tia antsika voalohany. Raha misy milaza hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany? Ary izao no didy azontsika Taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa. Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’Andriamanitra sy ny anatanterahantsika ny didiny. Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay nandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra? Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy telo izay manambara, dia ny Fanahy sy ny rano ary ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo. Raha mandray ny fanambaràn’ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaràn’Andriamanitra; fa ny fanambaràn’Andriamanitra dia ny nanambaràny ny Zanany. Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambaràna ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambaràna izay nanambaràn’Andriamanitra ny Zanany izy. Ary izao no fanambaràny: Fiainana mandrakizay no nomen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako taminareo izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. Ary izao no toky ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy. Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana; ho an’izay nanao ota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Misy ota ho amin’ny fahafatesana. Tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy. Ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy ho amin’ny fahafatesana. Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa Ilay naterak’Andriamanitra no miaro azy ka tsy mikasika azy akory ilay Ratsy. Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay Ratsy avokoa. Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy. Izaho loholona no mamangy an’Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ny fahamarinana, ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Faly indrindra aho satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny marina araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray. Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. Ary izao no fitiavana dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany dia ny handehananareo aminy. Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, ireny dia tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izany no mpamitaka sy antikristy. Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka kosa. Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka. Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony. Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika mba ho tanteraka ny fifalianareo. Ny zanaky ny rahavavinao voafidy dia manao veloma anao. Izaho loholona no mamangy an’i Gaio, ilay malala, izay tiako amin’ny fahamarinana. Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia ny fandehananao amin’ny marina. Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho dia ny andrenesako fa mandeha amin’ny marina ny zanako. Ry malala, manao asa mahatoky ianao amin’izay rehetra ataonao amin’ireo rahalahy ireo na dia vahiny aza izy; nambaran’ireo teo anatrehan’ny fiangonana ny fitiavanao. Soa no ataonao, raha mamatsy azy amin’ny diany koa ianao, araka izay mendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra. Fa noho ny Anarana no niaingany, nefa tsy nandray na inona na inona avy tamin’ny Jentilisa izy. Koa isika dia tokony handray tsara ny olona toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana isika. Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho; nefa i Diotrefa, izay te ho lohany, dia tsy mba mandray anay. Koa amin’izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana. Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra. I Demetrio dia tsara laza amin’ny olona rehetra sy amin’ny fahamarinana koa; izahay koa manambara izany ary fantatrao fa marina ny fanambarànay. Maro ny zavatra tiako ho nosoratana taminao nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ny ranomainty sy ny penina. Fa manantena hahita anao faingana ihany aho dia hiresaka mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana! Ny namana atỳ dia manao veloma anao. Veloma amin’ny namana tsirairay araka ny anarany avy. I Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba, no mamangy izay olona voaantso, malala ao amin’Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’i Jesosy Kristy: Hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana! Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonantsika dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hampirisika anareo mba hiadianareo mafy hiaro ny finoana izay voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina. Fa misy olona sasany niditra an-tsokosoko, izay efa voasoratra hatry ny ela ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fanaranam-po amin’ny ratsy sady mandà ny Andriana tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika. Ta hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny olona dia naringany ihany taorianan’izany izay tsy nino. Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara fanapahany fa nandao ny fonenany dia nohazoniny amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe. Toy izany koa, i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana ny fiaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay. Kanefa toy izany koa, ireo dia manaraka ny nofinofiny ka mandoto ny nofo ary mandà ny manana fahalehibiazana sady miteny ratsy ny manana voninahitra. Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ny devoly ka nifandìtra ny amin’ny fatin’i Mosesy dia tsy sahy niteny ratsy hanameloka azy, fa hoy izy: «Hananatra anao anie NY TOMPO!» Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ny biby tsy manan-tsaina, dia izany no andotoany ny tenany. Hahita loza izy! Fa ny lalan’i Kaina no nandehanany; tamin’ny lalan-dison’i Balama no nihazakazahany mba hahazoany tamby, ary ny fikomian’i Kora no naharingana azy! Ireny olona ireny no mandoto ny fanasam-pifankatiavanareo raha mba miara-misakafo tsy amin-tahotra aminareo izy akory, dia mpiandry mamahan-tena, rahona tsy misy rano entin’ny rivotra, hazo fararano tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny asa mahamenatra ataony, kintana mifindrafindra ka voatahiry ho azy mandrakizay ny haizina mikitroka! Ary i Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany ny amin’ireny olona ireny ka nilaza hoe: «Indro, tonga NY TOMPO mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hanao fitsarana amin’ny rehetra sy hampiaiky ny olona rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny henjana rehetra izay nanoheran’ny mpanota ratsy fanahy Azy.» Ireo dia mpimonomonona sy mpimenomenona, olona mandeha araka ny filany; ny vavany dia manao teny miavonavona tafahoatra, ary mandoka olona mba hahazoany zavatra. Fa ianareo kosa, ry malala, dia tsarovinareo ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny. Fa efa nilaza taminareo izy hoe: Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filany sy ny haratsiam-panahiny. Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, tsy manana ny Fanahy. Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; tahirizo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny tenanareo, eo am-piandrasana ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ny sasany kosa dia sarihana avy amin’ny afo no famonjenareo azy; ary ny sasany indray dia amindrao fo amin-tahotra ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ny nofo aza. Ary ho an’Izay mahay miaro anareo mba tsy ho tafintohina, ary mahay mampijoro anareo, tsy misy tsiny, eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amena! Ny fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony rehetra izay zavatra tsy maintsy ho tonga haingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony amin’ny alalan’ny famantarana, izay nanambara ny zavatra rehetra izay hitany, dia ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy. Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny! Fa antomotra ny andro. I Jaona no mamangy ny Fiangonana fito any Azia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny sezafiandrianany; ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany! Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka tamin’ny fahotantsika tamin’ny rany sady nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy, ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amena! Indro avy eny amin’ny rahona Izy ary hahita Azy ny maso rehetra na dia izay nandefona Azy aza ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena! Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha. Izaho Jaona, rahalahinareo sy mpiombona amin’ny fahoriana ary amin’ny fanjakana sy ny fiaretana ao amin’i Jesosy, dia tao amin’ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy. Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon’ny trompetra, hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty ao amin’ny boky ka ampitondray ho any amin’ny Fiangonana fito, dia ho any Efesosy, Smirna, Pergamosy, Tiatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia. Dia nitodika aho mba hizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho dia nahita fitoeran-jiro volamena fito, ary teo afovoan’ny fitoeran-jiro dia nisy Iray tahaka ny Zanak’Olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany. Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy, tahaka ny orampanala. Ny masony dia tahaka ny lelafo, ny tongony dia tahaka ny varahina manganohano, ohatra ilay mivaivay avy tao amin’ny lafaoro iny, ary ny feony dia toy ny firohondrohon’ny ranobe. Nitana kintana fito teny an-tanany havanana Izy; nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany, ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny iny. Ary raha nahita Azy aho dia lavo niankohoka teo anoloan’ny tongony tahaka ny maty. Nefa Izy nanendry ahy tamin’ny tanany havanana ka niteny hoe: Aza matahotra! Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona. Efa maty Aho, nefa indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty. Koa soraty izay zavatra hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy aorianan’izao, dia ny zavamiafina ny amin’ny kintana fito izay hitanao teny an-tanako havanana sy ny fitoeran-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny Fiangonana fito, ary ny fitoeran-jiro fito dia Fiangonana fito. Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efesosy: Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tanany havanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito: Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fiaretanao sy ny tsy fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao dia efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy. Manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. Kanefa manan-teny aminao Aho satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo dia mibebaha ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fitoeran-jironao hiala amin’ny toerany raha tsy mibebaka ianao. Kanefa izao no toetranao: Halanao ny asan’ny Nikolaìta izay halako koa. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra. Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna: Izao no lazain’ny Voalohany sy ny Farany izay efa maty nefa velona indray: Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, nefa manankarena ianao, ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa sinagogan’i Satana. Aza matahotra izay hiaretanao. Indro, ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo ho ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa. Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’Ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny sezafiandrianan’i Satana. Mitana mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy vavolombeloko aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana. Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitana ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’Israely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga. Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitana ny fampianaran’ny Nikolaìta tahaka ny an’ireny. Koa mibebaha; fa raha tsy izany dia ho avy aminao haingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’izany vato izany dia misy anaram-baovao voasoratra izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany. Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Tiatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia maro noho ny voalohany. Kanefa manan-teny aminao Aho satria ianao dia mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy. Nomeko andro hibebahany izy nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany izy. Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ny fahoriana lehibe raha tsy mibebaka amin’ny asan-dRavehivavy izy. Hovonoiko amin’ny areti-mandringana ny zanany; ary ny Fiangonana rehetra dia hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. Fa aminareo izay sisa any Tiatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe sain-dalin’i Satana, dia izao no lazaiko: Tsy hovesarako entana hafa ianareo. Kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-piaviko. Ary izay mandresy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny Jentilisa. Hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, araka izay noraisiko tamin’ny Raiko. Ary homeko azy ny kintana fitarikandro. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Ary soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty. Miambena ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay mila ho faty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro. Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao dia ho avy toy ny mpangalatra Aho ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo satria mendrika izy. Izay mandresy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa ary tsy hamono velively ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana Aho fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha: Fantatro ny asanao; indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao ka tsy misy maharindrina azy; fa na dia kely aza ny herinao dia nitandrina ny teniko ianao ary tsy mba nandà ny anarako. Indro, alaiko ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa mandainga. Indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo ka ho fantany fa Izaho dia tia anao. Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andron’ny fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy haingana Aho. Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao. Izay mandresy dia hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro ary tsy hiala tao intsony izy. Hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra. Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina izay niandohan’izao zavatra noharin’Andriamanitra izao: Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao. Aleo mangatsiaka na mafana ianao! Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka dia mila haloan’ny vavako ianao. Fa hoy ianao: Manankarena sady nihary fananana be aho ka tsy misy na inona na inona mahory ahy, kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory, mahantra, malahelo, jamba ary mitanjaka; koa manoro hevitra anao Aho hividy Amiko volamena voadio tamin’ny afo mba hanankarena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary ody maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; koa mazotoa ianao ka mibebaha! Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna. Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko. Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny sezafiandrianako, tahaka ny nandreseko sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny sezafiandrianany. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Rehefa afaka izany dia hitako fa indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra, ary ilay feo izay efa reko tamin’ny voalohany dia tahaka ny an’ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy amin’izao manaraka izao. Ary niaraka tamin’izay dia voatsindrin’ny Fanahy aho. Indro, nisy sezafiandrianana iray tany an-danitra ary nisy Iray nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana. Ary ny tarehin’Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola, ary nisy avana mitarehin’emeraoda nanodidina ny sezafiandrianana. Ary manodidina ilay sezafiandrianana iray dia nisy sezafiandrianana efatra amby roapolo; ary teo ambonin’ireo sezafiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roapolo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena. Ary nisy tselatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianana, ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ny sezafiandrianana; ny Fanahy fiton’Andriamanitra ireo. Teo anoloan’ny sezafiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly. Teo afovoan’ny sezafiandrianana sy manodidina azy dia nisy zavamananaina efatra feno maso avokoa teo anoloany sy teo ivohony. Ny zavamananaina voalohany dia tahaka ny liona, ny zavamananaina faharoa dia tahaka ny zanak’omby, ny zavamananaina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’olona ary ny zavamananaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina. Ny zavamananaina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrany anatiny. Ary tsy mitsahatra andro aman’alina izy miteny hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy! Ary isaky ny manome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, ny zavamananaina, dia miankohoka eo anoloan’Izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ny loholona efatra amby roapolo ka mivavaka amin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny sezafiandrianana sady miteny hoe: Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy. Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana. Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? Tsy nisy anefa tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. Dia nitomany mafy aho satria tsy nisy hita mendrika hanokatra ny boky na hijery azy. Hoy anefa ny iray tamin’ny loholona tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa nandresy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. Ary hitako fa indro, teo afovoan’ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono. Nanana tandroka fito sy maso fito Izy, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra. Tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana. Rehefa nandray ny boky Izy dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry ny zavamananaina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo, ary samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia ny vavaka ataon’ny olona masina izany. Nihira tononkira vaovao izy hoe: Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; satria voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra, ny samihafa fiteny, ny olona ary ny firenena rehetra, ho an’Andriamanitra; nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo ary hanjaka ambonin’ny tany izy. Ary nahita aho, sady nandre feon’anjely maro manodidina ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina ary ny loholona ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo. Niteny tamin’ny feo mahery izy hoe: Ny Zanak’ondry izay novonoina dia mendrika handray ny hery, ny harena, ny fahendrena, ny faherezana, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra. Ary ny zavaboahary rehetra, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay eny ambonin’ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy niteny hoe: Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra, ny haja, ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Ary ny zavamananaina efatra dia niteny hoe: Amena! Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. Ary nijery aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina efatra niteny tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana hoe: Avia! Ary hitako fa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia nitondra tsipìka; ary nomena satroboninahitra izy; dia niainga izy ka nandresy ary mba handresy. Rehefa novahany ny tombo-kase faharoa dia reko ny zavamananaina faharoa niteny hoe: Avia! Dia nisy soavaly hafa mena kosa niseho. Izay nitaingina azy dia nasaina nanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy. Rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo dia reko ny zavamananaina fahatelo niteny hoe: Avia! Ary hitako fa indro, nisy soavaly mainty. Izay nitaingina azy dia nitondra mizana teny an-tanany. Ary nandre toy ny feo teo afovoan’ny zavamananaina efatra aho niteny hoe: Denaria iray ny varimbazaha eran’ny fatambary kely ary denaria iray koa ny varimbazaha hafa intelon’ny fatambary; fa ny diloilo na ny divay dia aza simbànao! Rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra dia reko ny feon’ny zavamananaina fahefatra niteny hoe: Avia! Ary hitako fa indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny fitoeran’ny maty no niaraka taminy. Nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra, ny mosary, ny areti-mandringana ary ny bibidia etỳ an-tany. Rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra sy ny teny vavolombelona izay nohazoniny. Ary niantso tamin’ny feo mahery izy ireo hoe: Tompo masina sy marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy tsy hamalianao ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany? Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitra ny mpanompo namany sy ny rahalahiny izay hovonoina tahaka azy koa. Ary hitako, fa rehefa novahany ny tombo-kase fahenina dia nisy horohoron-tany mafy; tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana. Ary ny kintana teny amin’ny lanitra dia niraraka tamin’ny tany toy ny aviavy manintsana ny voany manta raha hozongozonin’ny rivotra mahery izy. Dia nisinda tahaka ny boky nahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ny toerany. Ary ny mpanjakan’ny tany, ny lehibe, ny mpifehy arivo, ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tany amin’ny lava-bato sy tany amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra. Ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, koa iza no hahajanona? Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza. Ary hitako fa indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fitombo-kasen’Andriamanitra velona. Ary niantso ny anjely efatra izay nasaina hanimba ny tany sy ny ranomasina, tamin’ny feo mahery izy hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika. Ary nandre ny isan’izay voaisy tombo-kase aho: Efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no voaisy tombo-kase tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely rehetra: Tamin’ny fokon’i Joda, roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase; tamin’ny fokon’i Robena, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Gada, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Asera, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Naftaly, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Manase, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Simeona, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Levy, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Isakara, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Zebolona, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Josefa, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Benjamina, roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase. Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra ary ny samihafa fiteny rehetra. Nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry izy ireo, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tanany, ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ny famonjena dia an’Andriamanitsika izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana, sy an’ny Zanak’ondry! Ary ny anjely rehetra dia nitsangana manodidina ny sezafiandrianana sy ny loholona ary ny zavamananaina efatra; niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: Amena! Ny saotra, ny voninahitra, ny fahendrena, ny fisaorana, ny haja, ny hery ary ny faherezana dia an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay! Amena! Ary ny iray tamin’ny loholona dia niteny tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? Fa hoy aho taminy: Tompoko, ianao no mahalala! Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony dia nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. Noho izany izy dia eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra ka manompo Azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny. Ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ondry izay eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony (Isa 25.8). Rehefa novahany ny tombo-kase fahafito dia nangina tokony ho antsasaky ny ora iray ny tany an-danitra. Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; nomena trompetra fito ireo. Ary nisy anjely iray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ny alitara; nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra izy. Nomena ditin-kazo manitra betsaka izy mba hatolony izany miaraka amin’ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ny sezafiandrianana. Ary ny setroky ny ditin-kazo manitra mbamin’ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tanan’ny anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra. Ary ny anjely dia nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra ary nameno azy tamin’ny afo teo amin’ny alitara ka nanipy izany tamin’ny tany ary nisy kotrokorana, feo, tselatra ary horohoron-tany. Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka. Nitsoka ny voalohany, dia nisy havandra sy afo miharoharo ra ka nararaka tamin’ny tany izany; ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra. Nitsoka ny anjely faharoa dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina. Tonga ra ny ampahatelon’ny ranomasina ka maty ny ampahatelon’ny zavamananaina tao an-dranomasina ary potika ny ampahatelon’ny sambo. Nitsoka ny anjely fahatelo dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo nilatsaka avy tany an-danitra. Latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany. Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano ary maro ny olona no matin’ny rano satria nangidy izany. Nitsoka ny anjely fahefatra dia nokapohina ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelony ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro ary ho toy izany koa ny alina. Dia hitako sy reko, nisy voromahery iray nanidina teny afovoan’ny lanitra, izay niteny tamin’ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza no hanjo an’izay monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra izay mbola hotsofin’ny anjely telo! Ary nitsoka ny trompetra ny anjely fahadimy, dia hitako fa indro nisy kintana iray avy tany an-danitra latsaka tamin’ny tany, ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa. Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe ka tonga maizina ny masoandro sy ny rivotra noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka. Ary nisy valala nivoaka avy tao amin’ny setroka ka nankany amin’ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ny maingoka amin’ny tany. Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany. Nefa tsy navela hahafaty azy izy fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fanaintainana avy aminy dia tahaka ny fanaintainana avy amin’ny maingoka mamely olona. Amin’izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona nefa tsy hahita. Haniry ho faty izy nefa handositra azy ny fahafatesana. Ny fijery ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana hoenti-miady. Tamin’ny lohany dia nisy satroboninahitra toy ny volamena ary ny tavany dia tahaka ny tavan’olona. Nanana volo tahaka ny volom-behivavy izy ary ny nifiny dia tahaka ny an’ny liona. Nanana fiarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy fitondra miady entin’ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ny ady. Manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary ao amin’ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana. Ary manana ny anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ny teny hebreo dia Abadona, fa amin’ny teny grika kosa dia Apoliona, na Mpandringana. Lasa ny loza iray. Indreo ny loza roa hafa koa ho avy aorianan’izao. Nitsoka ny anjely fahenina. Dia nahare feo avy teo amin’ny tandroky ny alitara volamena izay eo anatrehan’Andriamanitra, aho; niteny tamin’ny anjely fahenina izay nanana ny trompetra izy hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe. Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin’ny ora, ny andro, ny volana ary ny taona, mba hahafaty ny ampahatelon’ny olona. Ny isan’ny miaramila an-tsoavaly dia roanjato tapitrisa. Nandre ny isany aho. Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ny fahitana sy izay nitaingina azy: Manana fiarovan-tratra mena mivaivay sy manga antitra ary mavo toy ny solifara izy; ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona; misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy amin’ny vavany. Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka avy tamin’ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona. Fa ny herin’ny soavaly dia eo amin’ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady misy lohany maro, koa ireny no entiny mampahory. Nefa ny olona sisa izay tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy nibebaka niala tamin’ny asan’ny tanany; tsy nitsahatra nivavaka tamin’ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahita, na mahare, na afa-mamindra, izy; tsy nibebaka tamin’ny namonoany olona izy, na tamin’ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ny fijangajangany, na tamin’ny halatra nataony. Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery iray koa nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; nisy avana teo ambonin’ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo. Nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy. Nabahany ny tongony, koa ny havanana dia nataony teo ambonin’ny ranomasina ary ny havia dia tamin’ny tany; ary niantso tamin’ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ny liona. Nony niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito. Ary rehefa nandefa ny feony ny kotrokorana fito dia handeha hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho hoe: Asio tombo-kase izay notononin’ny kotrokorana fito fa aza soratana. Ary ny anjely, ilay hitako nitsangana teo ambonin’ny ranomasina sy teo ambonin’ny tany, dia nanangana ny tanany havanana ho amin’ny lanitra ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony, fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zavamiafina izay an’Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ny mpaminany mpanompony. Ary ilay feo izay reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tanan’ny anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy eo ambonin’ny tany. Dia nanatona an’ilay anjely aho ka niteny taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Hoy izy tamiko: Raiso ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely. Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan’ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha mbola teo am-bavako izy dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko dia nangidy ny kiboko. Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin’ny olona maro, ny firenena maro, ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro. Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao. Fa ny kianja eo ivelan’ny tempoly dia avelao fa aza refesina fa nomena ny Jentilisa izany; hanitsakitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy. Ary homeko hery ny vavolombeloko roa ka haminany enimpolo sy roanjato sy arivo andro izy sady hitafy lamba fisaonana. Ireo ny hazo oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa, izay mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany. Ary raha misy ta handratra ireo dia misy afo mivoaka amin’ny vavany ka mandany ny fahavalony. Eny, raha misy ta handratra ireo dia toy izany no tsy maintsy hamonoana azy. Izy ireo dia manana fahefana handrindrina ny lanitra mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manana fahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana. Ary rehefa tanteraka ny fanambaràny dia hiady aminy ilay bibidia miakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. Ary ny fatiny dia hiampatra eny an-dalambe amin’ny tanàna lehibe, izay adika araka ny hevi-panahy hoe Sodoma sy Ejipta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazofijaliana. Ary ny olom-pirenena, ny fokom-pirenena, ny samihafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny telo andro sy tapany; ary tsy avelany halevina am-pasana ny fatiny. Ary ny mponina ambonin’ny tany dia mifaly azy ka hiravoravo, ary hifanatitra fanomezana izy satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo. Ary rehefa afaka ny telo andro sy tapany dia nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo dia nijoro tamin’ny tongony izy ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. Ary nandre feo mahery avy tany an-danitra izy roa lahy niteny taminy hoe: Miakara atỳ! Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ny rahona ireo, ary nahita azy ny fahavalony. Tamin’izany ora izany dia nisy horohoron-tany mafy ka rava ny ampahafolon’ny tanàna ary maty tamin’izany horohoron-tany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra. Lasa ny loza faharoa. Indro, avy haingana ny loza fahatelo. Ary nitsoka ny anjely fahafito dia nisy feo mafy tany an-danitra niteny hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy! Ary ny loholona efatra amby roapolo izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany eo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha satria nasehonao ny herinao lehibe ka nampiorina ny fanjakanao Ianao. Tezitra ny firenena maro nefa tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty, hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany. Ary novohana ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra ka niseho tao anatin’ny tempoliny ny vata misy ny fanekeny; ary nisy tselatra, feo, kotrokorana, horohoron-tany ary havandra vaventy. Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ny tongony ary misy satroboninahitra kintana roa amby folo amin’ny lohany. Bevohoka izy ary mihetsi-jaza ka mitaraina satria marary fatratra efa hiteraka. Nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra ka indro, nisy dragona mena lehibe manana loha fito sy tandroka folo ary misy diadema fito amin’ny lohany. Ny rambony dia nanala ny ampahatelon’ny kintana amin’ny lanitra ka nanjera ireny ho amin’ny tany. Ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany raha vao teraka. Ary niteraka zazalahy izy, ary hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by izy io. Novonjena haingana ny zanany ka nakarina ho any amin’Andriamanitra, any amin’ny sezafiandrianany. Ravehivavy kosa dia nandositra nankany an-tany efitra, izay efa nisy toerany namboarin’Andriamanitra mba hovelomina any enimpolo sy roanjato sy arivo andro izy. Ary nisy ady tany an-danitra: I Mikaela sy ny anjeliny dia niady tamin’ilay dragona. Ary niady ilay dragona mbamin’ny anjeliny, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona lehibe, dia ilay menarana tranainy, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; nazera tamin’ny tany izy ary ny anjeliny koa dia niaraka nazera taminy. Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho niteny hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan’Andriamanitsika ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina. Izy ireo kosa dia naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nanambaràny Azy ary tsy nankamamy ny ainy izy na dia ho faty aza. Noho izany dia mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina any! Fa loza ho an’ny tany sy ny ranomasina kosa! Fa nidina ho any aminareo ny devoly amin’ny fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny! Rehefa hitan’ilay dragona fa nazera tamin’ny tany izy dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy. Ary ilay vehivavy dia nomena ny elatra roa an’ny voromahery lehibe mba hanidinany ho any an-tany efitra, ho any amin’ny toerany izay hamelomana azy fetrandro iray sy fetrandro roa ary antsasaky ny fetrandro, mba tsy ho hitan’ilay menarana izy. Ary ilay menarana dia namoaka rano tamin’ny vavany, toy ny ony, hanaraka an-dRavehivavy, mba hindaosin’ny ony izy. Nefa ny tany dia namonjy an-dRavehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny ony izay navoakan’ny dragona tamin’ny vavany. Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny fanambaràna an’i Jesosy. Ary ilay dragona dia nitsangana teo amin’ny fasiky ny ranomasina. Ary hitako fa indro, nisy bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina, nanana tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana miteny ratsy. Ny bibidia izay hitako dia tahaka ny leoparda, ny tongony dia tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany dia tahaka ny vavan’ny liona. Nomen’ilay dragona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe. Ary ny lohany iray dia toa voa ka efa ho faty, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy. Dia gaga ny tany rehetra ka nanaraka ilay bibidia. Ary niankohoka teo anoloan’ilay dragona ny olona satria izy no nanome ny fahefana ho an’ny bibidia; niankohoka teo anoloan’ny bibidia ny olona ka niteny hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza no mahay miady aminy? Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana. Dia nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeli ny, dia ireo monina any an-danitra. Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy. Nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena, ny vahoaka, ny samihafa fiteny ary ny firenena rehetra izy. Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino! Raha misy mamabo dia mba hobaboina izy; ary raha misy mamono amin’ny sabatra dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ny olona masina. Ary hitako fa indro, nisy bibidia iray koa niakatra avy tamin’ny tany. Nanana tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy nefa niteny tahaka ny dragona. Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina ao dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany izay sitrana tamin’ilay feriny saika nahafaty azy. Manao famantarana lehibe izy ka mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ny tany eo imason’ny olona aza. Mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason’ny bibidia sady milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sarin’ny bibidia izay voan’ny sabatra, nefa velona ihany. Ary navela hanisy aina ny sarin’ny bibidia izy mba hahay miteny ny sarin’ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ny sarin’ny bibidia. Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny malahelo, na ny olona afaka, na ny andevo, dia ampandraisiny marika avokoa eo amin’ny tanany havanana na eo amin’ny handriny mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibidia, na ny isa milaza ny anarany. Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isa mariky ny bibidia, fa isa mariky ny olona izany: Enina amby enimpolo sy eninjato izany isa marika izany. Ary hitako fa indro, ny Zanak’ondry dia nitsangana teo amin’ny tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany. Ary mihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ny sezafiandrianana sy eo anatrehan’ny zavamananaina efatra sy ny loholona izy. Tsy nisy afaka nianatra izany tononkira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany. Ireo no tsy voaloto tamin’ny vehivavy, fa virijiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry. Tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy. Ary hitako fa indro, nisy anjely iray hafa koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana Filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena, ny fokom-pirenena, ny samihafa fiteny ary ny olom-pirenena rehetra, niteny tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany; miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano! Ary nisy iray hafa koa, dia anjely faharoa, nanaraka azy ka niteny hoe: Rava! Rava i Babilona lehibe izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany! Ary nisy iray hafa koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany, tsy mitampoka, miharoharo zavatra, sady hampijaliana amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry izy! Ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay ary tsy manana fitsaharana, na andro na alina, izay miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho niteny hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo, hatramin’izao! Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy. Ary indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’Olona nipetraka teo ambonin’ny rahona. Nisatroka satroboninahitra volamena Izy sady nitana antsimbary maranitra teny an-tanany. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery ka niteny tamin’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona hoe: Arosoy ny antsimbarinao ka mijinjà! Satria tonga ny andro fijinjana fa efa masaka ny vokatry ny tany. Dia naroson’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona tamin’ny tany ny antsimbariny ka voajinja ny tany. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa dia nitana antsimbary maranitra. Nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy; niantso ilay nanana ny antsimbary maranitra tamin’ny feo mahery izy hoe: Arosoy ny antsimbarinao maranitra ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony. Ary naroson’ilay anjely tamin’ny tany ny antsimbariny dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra. Ary nohitsakitsahina teny ivelan’ny tanàna ny famiazam-boaloboka ary avy tao amin’ny famiazam-boaloboka dia nisy ra nahadifotra hatramin’ny lamboridin-tsoavaly ka tonga hatramin’ny eninjato sy arivo stadio. Ary hitako fa indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe no mahagaga, dia anjely fito izay nitana ny loza fito farany satria ireny no hoenti-manatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra. Ary nahita aho fa indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ny bibidia sy ny sariny ary ny isa mariky ny anarany dia nitsangana teo amoron’ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’Andriamanitra. Ary mihira ny tononkiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny tononkiran’ny Zanak’ondry izy hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny firenena! Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao ihany no masina ary ny firenena rehetra dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa naharihary ny fitsarana marina nataonao. Rehefa afaka izany dia nahita aho fa indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona any an-danitra. Ary ny anjely fito izay nitana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ny tempoly ary nanao akanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka izy sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany. Ary ny iray tamin’ny zavamananaina efatra dia nanome ny anjely fito, lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra, izay velona mandrakizay mandrakizay. Ary ny tempoly dia feno setroka noho ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny, koa tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny tempoly mandra-pahatanteraka ny loza fito noentin’ny anjely fito. Ary nandre feo mahery avy tao amin’ny tempoly aho niteny tamin’ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ny tany ny ao amin’ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra. Ary nandeha ny voalohany dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny tany. Dia nisy vay ratsy sady mampanaintaina tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan’ny sariny. Ary ny faharoa dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ranomasina. Dia nody ra tahaka ny ran’olona efa maty ny ranomasina ary maty ny zavamananaina rehetra tao aminy. Ary ny fahatelo dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano. Dia nody ra ireny. Ary nandre ny anjelin’ny rano aho niteny hoe: Marina Ianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria nitsara toy izany Ianao. Satria ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, koa ra no nomenao hosotroiny; tandrify azy izany. Ary reko ny alitara niteny hoe: Eny, Tompo, Andriamanitra Tsitoha ô, marina sady mahitsy ny fitsaranao. Ary ny fahefatra dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny masoandro. Nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo izy ka main’ny hafanana be ny olona. Dia niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra izay manana fahefana amin’ireny loza ireny, izy, sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy. Ary ny fahadimy dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny sezafiandrianan’ilay bibidia. Dia tonga maizina ny fanjakany ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana; niteny ratsy an’Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ny asany. Ary ny fahenina dia nampidina ny tao an-doviany tao amin’i Eofrata, ony lehibe. Dia ritra ny ranony, mba hanamboarana ny lalan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro ireny. Ary hitako fa indreo, fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy tamin’ny vavan’ilay bibidia ary tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka. Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra manerana izao tontolo izao, mba hamory azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha! Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy ka ho hita ny fahamenarany! Ary novoriny ho any amin’ny toerana atao amin’ny teny hebreo hoe Haramagedona ireny. Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny rivotra. Dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny tempoly, avy teo amin’ny sezafiandrianana, niteny hoe: Vita! Dia nisy tselatra sy feo ary kotrokorana; nisy koa horohoron-tany mafy izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’olona tetỳ ambonin’ny tany, eny, tsy mbola nisy horohoron-tany mafy sy lehibe toy izany. Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko ary rava ny tanànan’ny firenena maro; ary i Babilona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’Andriamanitra mba homena azy ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezerany. Nandositra ny nosy rehetra ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. Nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra teo amin’ny olona, milanja tokony ho talenta iray avy; ary niteny ratsy an’Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany. Ary tonga ny anjely iray tamin’izy fito izay nitana ny lovia fito dia niteny tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe izay mipetraka eny ambonin’ny ranobe. Taminy no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany sady nahamamo ny mponina tamin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany. Dia noentiny tamin’ny Fanahy ho any an-tany efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana miteny ratsy sady nanana loha fito sy tandroka folo. Ary Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tanany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany. Nisy anarana voasoratra teo amin’ny handriny hoe: Zavamiafina, Babilona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany. Ary hitako fa indro, Ravehivavy dia mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy. Koa raha nahita azy aho dia gaga indrindra. Hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zavamiafina ny amin-dRavehivavy sy ny bibidia mitondra azy izay manana loha fito sy tandroka folo. Ny bibidia, ilay hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao. Hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny monina ambonin’ny tany, dia izay tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray. Indro ny saina izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dRavehivavy. Mpanjaka fito koa ireo: Efa lavo ny dimy fa ny iray dia mbola eo ihany, ary ny iray koa dia mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy mitoetra kelikely. Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman’ny fito maha valo azy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana fa mandray fahefana ho toa mpanjaka izy ireo, ora iray monja, miaraka amin’ny bibidia. Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia. Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry dia haharesy azy, satria Tompon’ny tompo Izy ary Mpanjakan’ny mpanjaka, ary handresy azy koa izay momba Azy, dia olona voaantso sy voafidy ary mahatoky. Ary hoy izy tamiko: Ny rano hitanao izay ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia olona, vahoaka betsaka, ary firenena maro ary samihafa fiteny. Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy, hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo. Fa Andriamanitra nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia, mandra-pahatanteraka ny tenin’Andriamanitra. Ary Ravehivavy, ilay hitanao, dia ny tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany. Rehefa afaka izany dia hitako fa indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany dia nohazavain’ny voninahiny. Ary niantso tamin’ny feo mahery izy hoe: Rava! Rava i Babilona lehibe! Tonga fonenan’ny demonia sy fieren’ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina izy. Fa tamin’ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mpivaro-mandeha amin’ny tany dia tonga mpanankarena noho ny fanaranam-pony tamin’ny fiainam-ben-dRavehivavy. Ary nandre feo iray hafa koa avy tany an-danitra aho niteny hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany dia nitehika hatrany amin’ny lanitra, ary Andriamanitra dia nahatsiaro ny ratsy nataony. Mamalia azy araka izay nataony ka omeo indroa heny toy ny nataony izy! Ny kapoaka izay nofenoiny dia fenoy indroa heny ho azy. Toraka izay niderany tena sy nanaranany fo tamin’ny harembe, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho; koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy. Fa mahery ny Tompo Andriamanitra izay nitsara azy. Ary ny mpanjakan’ny tany izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ny fiainam-be, dia hiteha-tratra sy hitomany azy rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy. Hijanona eny lavitra eny izy ireny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hiteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe! Ry Babilona, tanàna mafy! Fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao! Ary ny mpivaro-mandeha amin’ny tany dia hitomany sy hisaona azy satria tsy hisy mpividy intsony ny entany, dia entana volamena, volafotsy, vatosoa, perila, rongony fotsy madinika, lamba volomparasy, landy, jaky, hazo mani-pofona, ny fanaka ivoara rehetra mbamin’ny fanaka rehetra amin’ny hazo sarobidy indrindra, varahina, vy ary marbra, kanelina, zavatra mani-pofona, ditin-kazo, menaka manitra, ditin-kazo mani-pofona, divay, diloilo, lafarinina tsara toto, varimbazaha, omby, ondry, soavaly, kalesy ary tena sy ain’olona. Ny vokatra soa nirinao dia efa niala taminao; ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo. Ny mpivaro-mandeha izay tonga mpanankarena tamin’izany dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hitomany sy hisaona ary hiteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe izay nitafy lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila! Fa tamin’ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany! Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin’ny ranomasina sy ny tantsambo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny ary rehefa nahita ny setroky ny fandoroana azy dia niantsoantso hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany? Ary nanipy vovoka hiraraka tamin’ny lohany izy dia niantsoantso sady nitomany sy nisaona ka niteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe izay nampanankarena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ny ranomasina noho ny zava-tsarobidy tao aminy! Fa tamin’ny ora iray monja no nahafoana izany! Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olona masina, sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany! Fa Andriamanitra efa nitsara azy ka nanome rariny anareo. Ary nisy anjely mahery iray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka niteny hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babilona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy. Ary ny feon’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony. Ary ny mpahay taozavatra rehetra, na inona na inona sokajiny, dia tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon’ny vato fikosoham-bary dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny fahazavan’ny jiro dia tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina dia tsy ho re eo aminao intsony satria ny mpivaro-mandeha teo aminao no lehiben’ny tany ary ny ody ratsinao no noentinao namitaka ny firenena rehetra; tao anatin’ny tanàna no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina ary izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany. Rehefa afaka izany dia nahare ohatra ny feon’ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho niteny hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony. Nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy, dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany. Dia niteny fanindroany ireo hoe: Haleloia! Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna! Ary ny loholona efatra amby roapolo sy ny zavamananaina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ka niteny hoe: Amena! Haleloia! Ary nisy feo nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianana niteny hoe: Miderà an’Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na kely na lehibe! Dia nandre feo ohatra ny feon’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, niteny hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no nampiorina ny fanjakany. Aoka isika hifaly sy hiravoravo ka hanome voninahitra Azy fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry ka efa niomana ny vadiny. Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy. Fa ny rongony fotsy madinika dia ny asa marina ataon’ny olona masina. Hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry! Ary hoy indray izy tamiko: Ireo dia teny marin’Andriamanitra. Dia niankohoka teo amin’ny tongony aho mba hivavaka taminy. Kanefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao! Fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ireo rahalahinao izay mitana ny fanambaràna an’i Jesosy. Andriamanitra ihany no ivavaho! Fa ny fanambaràna an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana. Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, koa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. Ny masony dia toy ny lelafo ary tamin’ny lohany nisy diadema maro; ary Izy dia manana anarana voasoratra izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ny tenany ihany ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy. Ny anarany dia atao hoe ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy dia hitondra azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsakakitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Ary hitako fa indro, nisy anjely iray koa nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny tamin’ny voromanidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia ka miangòna ho amin’ny fanasana lehibe ataon’Andriamanitra mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny mpifehy arivo, ny nofon’ny mahery, ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny olona rehetra, na olona afaka, na andevo, na kely na lehibe. Ary hitako ilay bibidia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany tafangona mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ny miaramilany. Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay noentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibidia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny. Natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roa. Ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. Ary hitako fa indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe teny an-tanany. Nosamboriny ilay dragona, dia ilay menarana tranainy, dia ny devoly sy i Satana ka nafatony arivo taona. Nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka nohidiny izany, dia nasiany tombo-kase teo amboniny mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitra ny arivo taona. Rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. Ary nahita sezafiandrianana maro aho. Nisy nipetraka teo amboniny ary nomena fahefana hitsara izy ireo. Hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny fanambaràna an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra, ary izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibidia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tanany. Velona indray izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona. Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitra ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Ireo dia tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka Aminy arivo taona. Ary rehefa tapitra ny arivo taona dia hovahana i Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia i Goga sy i Magoga, mba hamory azy ho amin’ny ady. Tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. Ary niakatra namakivaky ny tany manontolo izy dia nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala. Nisy afo anefa nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijaliana andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo. Ary hitako fa indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra Azy ka tsy nisy toerana ho azy intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana. Nisy boky maromaro novelarina; ary nisy boky iray hafa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny. Ary ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty dia namoaka ny maty tao aminy, ary samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy. Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy nisy intsony. Ary hitako ny tanàna masina, dia i Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nandre feo mahery avy teo amin’ny sezafiandrianana aho niteny hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona! Ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra mihitsy no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty, fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. Ary hoy koa Izy tamiko: Vita! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho no hanome maimaimpoana avy amin’ny loharanon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ho Andriamaniny Aho ary izy ho zanako. Fa ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izany no fahafatesana faharoa. Ary tonga ny iray tamin’ny anjely fito izay nitana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany. Hoy izy tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry. Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra iray sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia i Jerosalema, midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra. Manana ny voninahitr’Andriamanitra izy; ny famirapiratany dia tahaka ny vatosoa tena sarobidy, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato kristaly. Manana manda lehibe sady avo sy vavahady roa amby folo izy, ary eo amin’ny vavahady dia misy anjely roa amby folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ny foko roa amby folo amin’ny Zanak’Israely: Eo atsinanana, vavahady telo; eo avaratra, vavahady telo; eo atsimo, vavahady telo; eo andrefana, vavahady telo. Ny mandan’ny tanàna dia misy fanorenana roa amby folo ary misy anarana roa amby folo koa eo, dia ny an’ny Apostoly roa amby folon’ny Zanak’ondry. Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Ny tanàna dia efamira, koa mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara izy ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. Ary nandrefy ny mandany izy ka efatra amby efapolo amby zato hakiho, araka ny refin’ny olona, dia ny an’ny anjely. Ny mandany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. Ny fanorenan’ny mandan’ny tanàna dia voaravaka vatosoa samihafa rehetra. Ny fanorenana voalohany dia jaspy, ny faharoa dia safira, ny fahatelo dia kalkedoana, ny fahefatra dia emeraoda, ny fahadimy dia sardoniksa, ny fahenina dia karneola, ny fahafito dia krizolita, ny fahavalo dia berila, ny fahasivy dia topaza, ny fahafolo dia krizopraso, ny fahiraika amby folo dia hiakinta, ny faharoa amby folo dia ametista. Ny vavahady roa amby folo dia perila roa amby folo; perila iray ny vavahady tsirairay; ny lalambe teo an-tanàna dia volamena tsy miharo, toy ny fitaratra manganohano. Tsy nahita tempoly teo aho, fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny. Ary ny tanàna dia tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy. Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ny tany dia samy hitondra ny voninahiny ho ao anatiny. Ary ny vavahadiny dia tsy harindrina akory amin’ny andro, fa tsy mba hisy alina ao. Ary ny voninahitra sy ny hajan’ny firenena maro dia hoentina ao anatiny. Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany. Ary nasehony ahy ny ony nisy ranon’aina, manganohano tahaka ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny lalambeny. Teny an-daniny roa amin’ny ony dia nisy hazon’aina mamoa voa roa amby folo samihafa sady mamoa isam-bolana. Ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. Tsy hisy ozona intsony, ary ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no ho ao aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny. Tsy hisy alina intsony ary tsy mba hila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy. Hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany, no naniraka ny anjeliny haneho amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga haingana. Ary indro, avy haingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity! Izaho Jaona no nandre sy nahita ireo zavatra ireo. Rehefa nandre sy nahita aho dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ny tongotr’ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo. Kanefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao! Fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho! Hoy indray izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity fa antomotra ny andro. Izay manao ny tsy marina dia aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; izay maloto dia aoka mbola haloto ihany izy, fa izay marina kosa dia aoka mbola hanao ny marina ihany izy ary izay masina dia aoka mbola hihamasina ihany izy! Indro, avy haingana Aho ary entiko miaraka Amiko ny valisoa avy Amiko, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy. Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. Sambatra izay manasa ny akanjony mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna. Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. Izaho Jesosy no naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarikandro. Ny Fanahy sy ny ampakarina no miteny hoe: Avia! Aoka izay mandre hiteny hoe: Avia! Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety dia aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Izaho dia manambara amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy zavatra amin’ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra zavatra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina, araka izay voasoratra ato anatin’ity boky ity. Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy haingana Aho. Amena! Avia, Jesosy Tompo! Ho amin’ny olona masina rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo! Amena.