{ "books": [ { "name": "Genesis", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Genesis 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:1", "text": " Tamin\u2019 ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:2", "text": "Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin\u2019 ny lalina. Ary ny fanahin\u2019 Andriamanitra nanomba tambonin\u2019 ny rano. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:3", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:4", "text": "Ary hitan\u2019 Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin\u2019 Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:5", "text": "Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:6", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan\u2019 ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin\u2019 ny rano izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:7", "text": "Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin\u2019 ny habakabaka tamin\u2019 ny rano ambonin\u2019 ny habakabaka; dia nisy izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:8", "text": "Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:9", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin\u2019 ny lanitra ho eo amin\u2019 ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:10", "text": "Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan\u2019 Andriamanitra fa tsara izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:11", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin\u2019 ny tany; dia nisy izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:12", "text": "Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan\u2019 Andriamanitra fa tsara izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:13", "text": "Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahatelo izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:14", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin\u2019 ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:15", "text": "Ary aoka ho fanazavana eny amin\u2019 ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin\u2019 ny tany; dia nisy izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:16", "text": "Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:17", "text": "Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin\u2019 ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin\u2019 ny tany, " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:18", "text": "sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan\u2019 Andriamanitra fa tsara izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:19", "text": "Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:20", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan\u2019 aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin\u2019 ny tany eny amin\u2019 ny habakabaky ny lanitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:21", "text": "Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan\u2019 aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin\u2019 ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan\u2019 Andriamanitra fa tsara izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:22", "text": "Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin\u2019 ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:23", "text": "Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany. " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:24", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan\u2019 aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:25", "text": "Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan\u2019 Andriamanitra fa tsara izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:26", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin\u2019 ny hazandrano ao amin\u2019 ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:27", "text": "Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik\u2019 Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:28", "text": "Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin\u2019 ny hazandrano ao amin\u2019 ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 29, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:29", "text": "Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin\u2019 ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny. " }, { "verse": 30, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:30", "text": "Ary ny amin\u2019 ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan\u2019 aina rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany. " }, { "verse": 31, "chapter": 1, "name": "Genesis 1:31", "text": "Ary hitan\u2019 Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Genesis 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:1", "text": "Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:2", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafito dia vitan\u2019 Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin\u2019 ny andro fahafito Izy tamin\u2019 ny asany rehetra izay efa nataony. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:3", "text": "Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin\u2019 izany no nitsaharan\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny asany rehetra izay noforoniny tamin\u2019 ny nanaovany azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:4", "text": " Ary izao no tantaran\u2019 ny lanitra sy ny tany tamin\u2019 ny namoronana azy, dia tamin\u2019 ny nanaovan\u2019 i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:5", "text": "Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin\u2019 ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin\u2019 ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:6", "text": "nefa nisy zavona niakatra avy tamin\u2019 ny tany ka nandena ny tany rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:7", "text": "Ary vovo-tany no namoronan\u2019 i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:8", "text": "Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:9", "text": "Ary nampanirin\u2019 i Jehovah Andriamanitra teo amin\u2019 ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon\u2019 aina teo afovoan\u2019 ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:10", "text": "Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:11", "text": "Ny anaran\u2019 ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:12", "text": "ary tsara ny volamena amin\u2019 izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:13", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:14", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin\u2019 i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:15", "text": "Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin\u2019 ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:16", "text": "Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin\u2019 ny saha dia azonao ihinanana ihany; " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:17", "text": "fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin\u2019 ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:18", "text": "Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:19", "text": "Ary tany no namoronan\u2019 i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan\u2019 aina rehetra, dia izany no anarany. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:20", "text": "Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin\u2019 ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:21", "text": "Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:22", "text": "Ary ny taolan-tehezana izay nalain\u2019 i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:23", "text": "Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin\u2019 ny taolako sy nofo avy amin\u2019 ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:24", "text": "Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin\u2019 ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "Genesis 2:25", "text": "Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Genesis 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:1", "text": " Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon\u2019 Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin\u2019 ny saha? " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:2", "text": "Fa hoy ravehivavy tamin\u2019 ny menarana: Ny voan\u2019 ny hazo eo amin\u2019 ny saha dia azonay ihinanana ihany; " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:3", "text": "fa ny voan\u2019 ny hazo eo afovoan\u2019 ny saha kosa no efa nataon\u2019 Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:4", "text": "Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo; " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:5", "text": "fa fantatr\u2019 Andriamanitra fa na amin\u2019 izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an\u2019 Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:6", "text": "Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:7", "text": "Dia nahiratra ny mason\u2019 izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin\u2019 aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:8", "text": "Ary nandre an\u2019 i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin\u2019 ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan\u2019 i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin\u2019 ny saha. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:9", "text": "Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao? " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:10", "text": "Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin\u2019 ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:11", "text": "Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao? " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:12", "text": "Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:13", "text": "Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:14", "text": "Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin\u2019 ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin\u2019 ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin\u2019 ny andro rehetra hiainanao. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:15", "text": "Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:16", "text": "Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan\u2019 anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran\u2019 ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:17", "text": "Ary hoy koa Izy tamin\u2019 i Adama: Satria efa nihaino ny feon\u2019 ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin\u2019 ny andro rehetra hiainanao. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:18", "text": "Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:19", "text": "Ny fahatsembohan\u2019 ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin\u2019 ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin\u2019 ny vovoka indray ianao. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:20", "text": "Ary ralehilahy nanao ny anaran\u2019 ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin\u2019 ny olombelona rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:21", "text": "Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an\u2019 i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:22", "text": "Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny t\u00e0nany izy ka hakany koa ny hazon\u2019 aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:23", "text": "ka dia nesorin\u2019 i Jehovah Andriamanitra tamin\u2019 ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "Genesis 3:24", "text": "Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan\u2019 ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon\u2019 ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin\u2019 ny hazon\u2019 aina. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Genesis 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:1", "text": " Ary Adama nahalala an\u2019 i Eva vadiny; dia nanan\u2019 anaka Eva ka niteraka an\u2019 i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin\u2019 i Jehovah aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:2", "text": "Ary niteraka an\u2019 i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:3", "text": "Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran\u2019 i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:4", "text": "fa nitondran\u2019 i Abela kosa ny voalohan-terak\u2019 ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an\u2019 i Abela mbamin\u2019 ny fanatiny; " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:5", "text": "fa Kaina mbamin\u2019 ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:6", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:7", "text": "Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren\u2019 ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:8", "text": "Ary Kaina niteny tamin\u2019 i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an\u2019 i Abela rahalahiny, ka namono azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:9", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:10", "text": "Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon\u2019 ny ran\u2019 ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:11", "text": "Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin\u2019 ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran\u2019 ny rahalahinao nalatsaky ny tananao. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:12", "text": "Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin\u2019 ny tany ianao. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:13", "text": "Dia hoy Kaina tamin\u2019 i Jehovah: Lehibe ny valin\u2019 ny heloko mihoatra noho izay zakako. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:14", "text": "Indro, efa noroahinao hiala amin\u2019 ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin\u2019 ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:15", "text": "Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an\u2019 i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an\u2019 i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:16", "text": "Ary Kaina dia niala teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka nonina tao amin\u2019 ny tany Noda tandrifin\u2019 i Edena. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:17", "text": " Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan\u2019 anaka ravehivavy ka niteraka an\u2019 i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran\u2019 ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran\u2019 ny zananilahy. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:18", "text": "Ary Enoka niteraka an\u2019 Irada; ary Irada niteraka an\u2019 i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an\u2019 i Metosaela; ary Metosaela niteraka an\u2019 i Lameka. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:19", "text": "Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran\u2019 ny anankiray Ada, ary ny anaran\u2019 ny anankiray Zila. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:20", "text": "Ary Ada niteraka an\u2019 i Jabala; izy no rain\u2019 ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman\u2019 ondry. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:21", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain\u2019 ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:22", "text": "Ary Zila kosa niteraka an\u2019 i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin\u2019 i Tobala-kaina dia Nama. " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:23", "text": "Ary hoy Lameka tamin\u2019 ny vadiny: Ry Ada sy Zila \u00f4, mihainoa ny feoko; Ry vadin\u2019 i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako. " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:24", "text": "Raha valiana fito heny izay mamono an\u2019 i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an\u2019 i Lameka. " }, { "verse": 25, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:25", "text": "Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon\u2019 i Abela, satria novonoin\u2019 i Kaina izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 4, "name": "Genesis 4:26", "text": "Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Genesis 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:1", "text": " Ity no boky milaza ny taranak\u2019 i Adama: Tamin\u2019 ny andro namoronan\u2019 Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin\u2019 Andriamanitra no nanaovany azy; " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:2", "text": "lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin\u2019 ny andro namoronany azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:3", "text": "Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan\u2019 i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:4", "text": "Ary ny andron\u2019 i Adama taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:5", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:6", "text": "Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan\u2019 i Seta, dia niteraka an\u2019 i Enosy izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:7", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Seta taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:8", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Seta dia roa ambin\u2019 ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:9", "text": "Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan\u2019 i Enosy, dia niteraka an\u2019 i Kenana izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:10", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Enosy taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Kenana dia dimy ambin\u2019 ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy; " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:11", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:12", "text": "Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan\u2019 i Kenana, dia niteraka an\u2019 i Mahalalila izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:13", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Kenana taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:14", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:15", "text": "Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan\u2019 i Mahalalila, dia niteraka an\u2019 i Jareda izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:16", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Mahalalila taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:17", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:18", "text": "Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan\u2019 i Jareda dia niteraka an\u2019 i Enoka izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:19", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Jareda taorian\u2019 ny niterahany niterahany an\u2019 i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:20", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:21", "text": "Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan\u2019 i Enoka, dia niteraka an\u2019 i Metosela izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:22", "text": "Ary niara-nandeha tamin\u2019 Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:23", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:24", "text": "Ary niara-nandeha tamin\u2019 Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:25", "text": "Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan\u2019 i Metosela, dia niteraka an\u2019 i Lameka izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:26", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Metosela taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:27", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:28", "text": "Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan\u2019 i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; " }, { "verse": 29, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:29", "text": "ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin\u2019 ny asantsika sy ny fisasaran\u2019 ny tanantsika noho ny tany izay voaozon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 30, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:30", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Lameka taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:31", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 5, "name": "Genesis 5:32", "text": "Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an\u2019 i Sema sy Hama ary Jafeta izy. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Genesis 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:1", "text": " Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin\u2019 ny tany ka teraka zazavavy maro, " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:2", "text": "dia hitan\u2019 ny zanak\u2019 Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin\u2019 ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin\u2019 izy rehetra araka izay tiany izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:3", "text": "Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin\u2019 ny olona ny Fanahiko, fa amin\u2019 ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:4", "text": "Ny Nefilima nitoetra tambonin\u2019 ny tany tamin\u2019 izany andro izany, sy taorian\u2019 izany koa, raha nivady tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny olona ny zanak\u2019 Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:5", "text": "Ary hitan\u2019 i Jehovah fa be ny faharatsian\u2019 ny olona tambonin\u2019 ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin\u2019 ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:6", "text": "Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin\u2019 ny tany, ka nalahelo ny fony. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:7", "text": "Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin\u2019 ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin\u2019 ny olona ka hatramin\u2019 ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin\u2019 ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:8", "text": "Fa Noa kosa nahita fitia teo imason\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:9", "text": "Ary izao no tantaran\u2019 i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin\u2019 ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin\u2019 Andriamanitra Noa. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:10", "text": "Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:11", "text": "Ary simba ny tany teo anatrehan\u2019 Andriamanitra sady heni-doza; " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:12", "text": "dia hitan\u2019 Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:13", "text": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Noa: Ny faran\u2019 ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin\u2019 olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin\u2019 ny tany Aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:14", "text": "Koa manaova sambo-fiara ho anao amin\u2019 ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:15", "text": "Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan\u2019 ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:16", "text": "Ary hasianao fidiran\u2019 ny mazava ny sambo-fiara, ary amin\u2019 ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin\u2019 ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:17", "text": "Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin\u2019 ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin\u2019 ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:18", "text": "Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin\u2019 ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin\u2019 ny vinantonao vavy miaraka aminao. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:19", "text": "Ary ny zava-manan\u2019 aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin\u2019 ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:20", "text": "Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:21", "text": "Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka ang\u00f2ny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an\u2019 ireo koa izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Genesis 6:22", "text": "Dia nataon\u2019 i Noa izany; araka izay rehetra nandidian\u2019 Andriamanitra azy no nataony. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Genesis 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:1", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Noa: Mid\u00ecra ao anatin\u2019 ny sambo-fiara ianao mbamin\u2019 ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin\u2019 izao olona miara-belona aminao izao. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:2", "text": "Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:3", "text": "ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin\u2019 ny tany rehetra ireny. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:4", "text": "Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin\u2019 ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:5", "text": "Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:6", "text": "Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin\u2019 ny tany ny safo-drano. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:7", "text": "Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin\u2019 ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin\u2019 ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:8", "text": "Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin\u2019 izay rehetra mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:9", "text": "dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin\u2019 i Noa tao anatin\u2019 ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian\u2019 Andriamanitra an\u2019 i Noa. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:10", "text": "Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin\u2019 ny tany ny safo-drano. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:11", "text": "Tamin\u2019 ny andro fahafito ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana faharoa tamin\u2019 ny fahenin-jato taona niainan\u2019 i Noa, tamin\u2019 izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin\u2019 ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran\u2019 ny lanitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:12", "text": "Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin\u2019 ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:13", "text": "Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin\u2019 ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin\u2019 i Noa, mbamin\u2019 ny vadin\u2019 i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy; " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:14", "text": "dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:15", "text": "Dia niditra tao amin\u2019 i Noa tao anatin\u2019 ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin\u2019 ny nofo rehetra izay manam-pofonaina. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:16", "text": "Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin\u2019 ny nofo rehetra, araka izay nandidian\u2019 Andriamanitra an\u2019 i Noa; ary narindrin\u2019 i Jehovah tao izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:17", "text": "Ary naharitra efa-polo andro tambonin\u2019 ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin\u2019 ny tany izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:18", "text": "Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin\u2019 ny tany; dia nandeha teny ambonin\u2019 ny rano ny sambo-fiara. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:19", "text": "Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin\u2019 ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin\u2019 ny lanitra rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:20", "text": "Dimy ambin\u2019 ny folo hakiho no nihoaran\u2019 ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:21", "text": "Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin\u2019 ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany ary ny olona rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:22", "text": "Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin\u2019 izay rehetra teo amin\u2019 ny tany maina, dia maty avokoa. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:23", "text": "Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin\u2019 ny tany, hatramin\u2019 ny olona ka hatramin\u2019 ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin\u2019 ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin\u2019 ny sambo-fiara ihany no sisa velona. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Genesis 7:24", "text": "Ary nahery tambonin\u2019 ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Genesis 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:1", "text": "Ary Andriamanitra nahatsiaro an\u2019 i Noa mbamin\u2019 ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin\u2019 ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran\u2019 ny tany, ka dia nihena ny rano. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:2", "text": "Ary tampina ny loharanon\u2019 ny lalina sy ny varavaran\u2019 ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:3", "text": "Ary nihena niandalana niala tamin\u2019 ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:4", "text": "Dia nipetraka teo amin\u2019 ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin\u2019 ny andro fahafito ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana fahafito. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:5", "text": "Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin\u2019 ny volana fahafolo; tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana fahafolo dia niseho ny tampon\u2019 ny tendrombohitra. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:6", "text": "Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan\u2019 i Noa ny varavarankelin\u2019 ny sambo-fiara izay efa nataony. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:7", "text": "Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin\u2019 ny tany iny. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:8", "text": "Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin\u2019 ny tany, na tsia. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:9", "text": "Fa tsy hitan\u2019 ilay voromailala izay hipetrahan\u2019 ny faladiany, dia niverina tamin\u2019 i Noa tao anatin\u2019 ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin\u2019 ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny t\u00e0nany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin\u2019 ny sambo-fiara. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:10", "text": "Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin\u2019 ny sambo-fiara indray izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:11", "text": "Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin\u2019 oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran\u2019 i Noa fa efa kely ny rano tambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:12", "text": "Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:13", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana voalohany tamin\u2019 ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin\u2019 ny tany; ary nanaisotra ny tafon\u2019 ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:14", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafito amby roa-polo tamin\u2019 ny volana faharoa, dia maina ny tany. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:15", "text": "Ary Andriamanitra dia niteny tamin\u2019 i Noa ka nanao hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:16", "text": "Mivoaha amin\u2019 ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:17", "text": "Ary ny zava-manan\u2019 aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin\u2019 ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin\u2019 ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin\u2019 ny tany ireny. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:18", "text": " Dia nivoaka Noa mbamin\u2019 ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy; " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:19", "text": "Ny zava-manan\u2019 aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin\u2019 izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin\u2019 ny tany dia samy nivoaka avy tao amin\u2019 ny sambo-fiara araka ny karazany. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:20", "text": "Ary Noa dia nanorina alitara ho an\u2019 i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:21", "text": "Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin\u2019 ny olona Aho; fa ny fisainan\u2019 ny fon\u2019 ny olona dia ratsy hatramin\u2019 ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Genesis 8:22", "text": "Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Genesis 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:1", "text": "Ary Andriamanitra nitso-drano an\u2019 i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:2", "text": "Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin\u2019 izay rehetra mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin\u2019 ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:3", "text": "Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:4", "text": "Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny r\u00e0ny no aza haninareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:5", "text": "Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny manan\u2019 aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny olona, dia eo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny olona avy, no hanadinako ny ain\u2019 ny olona. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:6", "text": "Izay mandatsaka ny ran\u2019 olona, dia mba halatsak\u2019 olona kosa ny r\u00e0ny, satria tahaka ny endrik\u2019 Andriamanitra no nanaovany ny olona. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:7", "text": "Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin\u2019 ny tany sy mihabetsaha eny. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:8", "text": "Ary Andriamanitra niteny tamin\u2019 i Noa sy tamin\u2019 ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe: " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:9", "text": "Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin\u2019 ny taranakareo mandimby anareo " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:10", "text": "sy amin\u2019 ny zava-manan\u2019 aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin\u2019 ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:11", "text": "Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin\u2019 ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:12", "text": "Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin\u2019 ny zava-manan\u2019 aina rehetra eo aminareo hatramin\u2019 ny taranaka fara mandimby: " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:13", "text": "Ny avako efa napetrako eo amin\u2019 ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:14", "text": "Ary raha mampiangona rahona eo ambonin\u2019 ny tany Aho, ka hita eo amin\u2019 ny rahona ny avana, " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:15", "text": "dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin\u2019 ny zava-manan\u2019 aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:16", "text": "Ary ho eo amin\u2019 ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin\u2019 Andriamanitra sy ho amin\u2019 ny zava-manan\u2019 aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:17", "text": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin\u2019 ny nofo rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:18", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Noa izay izay nivoaka avy tamin\u2019 ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain\u2019 i Kanana. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:19", "text": "Ireo telo lahy ireo no zanak\u2019 i Noa; ary avy tamin\u2019 ireo no nielezan\u2019 ny olona tambonin\u2019 ny tany rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:20", "text": "Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:21", "text": "Ary nisotro tamin\u2019 ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin\u2019 ny lainy. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:22", "text": "Ary hitan\u2019 i Hama, rain\u2019 i Kanana ny fitanjahan\u2019 ny rainy, dia nambarany tamin\u2019 ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:23", "text": "Ary nalain\u2019 i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin\u2019 izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan\u2019 ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan\u2019 ny rainy. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:24", "text": "Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon\u2019 ny zanany faralahy taminy. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:25", "text": "Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon\u2019 ny rahalahiny izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:26", "text": "Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:27", "text": "Hataon\u2019 Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain\u2019 i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:28", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Noa taorian\u2019 ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "Genesis 9:29", "text": "Ary ny andro rehetra niainan\u2019 i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Genesis 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:1", "text": " Ary izao no taranaky ny zanakalahin\u2019 i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian\u2019 ny safo-drano. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:2", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:3", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:4", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:5", "text": "Avy tamin\u2019 ireo no niavakavahan\u2019 ny nosin\u2019 ny firenena tany amin\u2019 ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin\u2019 ny fireneny avy. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:6", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:7", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin\u2019 i Ragama dia Seba sy Dedana. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:8", "text": "Ary Kosy niteraka an\u2019 i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:9", "text": "Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan\u2019 i Jehovah, ka izany no nanaovan\u2019 ny olona hoe: Tahaka an\u2019 i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:10", "text": "Ary ny niandohan\u2019 ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin\u2019 ny tany Sinara. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:11", "text": "Ary nivoaka avy tamin\u2019 izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an\u2019 i Ninive mbamin\u2019 i Rehobot-ira sy Kala " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:12", "text": "ary Resena teo anelanelan\u2019 i Ninive sy Kala, dia ilay tan\u00e0na lehibe izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:13", "text": "Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:14", "text": "sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian\u2019 ny Filistina ary ny Kaftorita. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:15", "text": "Ary Kanana niteraka an\u2019 i Sidona lahimatoany sy Heta, " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:16", "text": "ary ny Jebosita, sy ny Amorita sy ny Girgasita " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:17", "text": "sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:18", "text": "sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen\u2019 ny Kananita. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:19", "text": "Ary ny fari-tanin\u2019 ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin\u2019 i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin\u2019 i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zebo\u00efma. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:20", "text": "Ireo no zanak\u2019 i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin\u2019 ny taniny, amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:21", "text": "Dia niteraka koa Sema, rain\u2019 ny zanak\u2019 i Ebera rehetra rahalahin\u2019 i Jafeta, izay zokiny. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:22", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:23", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy. " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:24", "text": "Ary Arpaksada niteraka an\u2019 i Sela; ary Sela niteraka an\u2019 i Ebera. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:25", "text": "Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran\u2019 ny iray natao hoe Palega, satria tamin\u2019 ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:26", "text": "Ary Joktana niteraka an\u2019 i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:27", "text": "sy Hadorama sy Ozala sy Dikla " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:28", "text": "sy Obala sy Abimaela sy Sheba " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:29", "text": "sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019 i Joktana. " }, { "verse": 30, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:30", "text": "Ary ny fonenan\u2019 ireo dia hatrany Mesa ao akaikin\u2019 i Sefara, tendrombohitra atsinanana. " }, { "verse": 31, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:31", "text": "Ireo no zanak\u2019 i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin\u2019 ny taniny, araka ny fireneny. " }, { "verse": 32, "chapter": 10, "name": "Genesis 10:32", "text": "Ireo no mpianakavin\u2019 ny zanak\u2019 i Noa, araka ny taranany, amin\u2019 ny fireneny; ary avy tamin\u2019 ireo no niavakavahan\u2019 ny firenena tambonin\u2019 ny tany taorian\u2019 ny safo-drano. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Genesis 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:1", "text": " Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:2", "text": "Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin\u2019 ny tany Sinara izy ka nonina teo. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:3", "text": "Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:4", "text": "Ary hoy izy: Andeha isika hanao tan\u00e0na sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin\u2019 ny tany rehetra isika. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:5", "text": "Dia nidina Jehovah hizaha ny tan\u00e0na sy ny tilikambo, izay nataon\u2019 ny zanak\u2019 olombelona. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:6", "text": "Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan\u2019 ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:7", "text": "Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:8", "text": "Dia tao no nampielezan\u2019 i Jehovah azy hiala ho eny ambonin\u2019 ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tan\u00e0na intsony izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:9", "text": "Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin\u2019 ny tany rehetra; ary tao no nampielezan\u2019 i Jehovah ny olona ho eny ambonin\u2019 ny tany rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:10", "text": " Izao no taranak\u2019 i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an\u2019 i Arpaksada izy roa taona taorian\u2019 ny safo-drano. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:11", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Sema taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:12", "text": "Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan\u2019 i Arpaksada, dia niteraka an\u2019 i Sela izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:13", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Arpaksada taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:14", "text": "Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan\u2019 i Sela, dia niteraka an\u2019 i Ebera izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:15", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Sela taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:16", "text": "Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan\u2019 i Ebera, dia niteraka an\u2019 i Palega izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:17", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Ebera taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:18", "text": "Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan\u2019 i Palega, dia niteraka an-dReo izy, " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:19", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Palega taorian\u2019 ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:20", "text": "Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an\u2019 i Seroga izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:21", "text": "Ary ny andro niainan-dReo taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:22", "text": "Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan\u2019 i Seroga, dia niteraka an\u2019 i Nahora izy, " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:23", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Seroga taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:24", "text": "Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan\u2019 i Nahora, dia niteraka an\u2019 i Tera izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:25", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Nahora taorian\u2019 ny niterahany an\u2019 i Tera dia sivy ambin\u2019 ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:26", "text": "Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan\u2019 i Tera, dia niteraka an\u2019 i Abrama sy Nahora ary Harana izy: " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:27", "text": " Ary izao no taranak\u2019 i Tera: Tera niteraka an\u2019 i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an\u2019 i Lota. " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:28", "text": "Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan\u2019 i Tera rainy tany amin\u2019 ny tany nahaterahany, dia tao Oran\u2019 ny Kaldeana. " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:29", "text": "Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran\u2019 ny vadin\u2019 i Abrama dia Saray; ary ny anaran\u2019 ny vadin\u2019 i Nahora dia Milka, zanakavavin\u2019 i Harana, rain\u2019 i Milka sy rain\u2019 Iska. " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:30", "text": "Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:31", "text": "Ary Tera nitondra an\u2019 i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak\u2019 i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin\u2019 i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran\u2019 ny Kaldeana hankany amin\u2019 ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "Genesis 11:32", "text": "Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan\u2019 i Tera; dia maty tao Harana izy. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Genesis 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:1", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Abrama: Mandehana miala amin\u2019 ny taninao sy ny havanao ary ny tranon\u2019 ny rainao hankany amin\u2019 ny tany izay hasehoko anao; " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:2", "text": "dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:3", "text": "ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:4", "text": "Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:5", "text": "Ary Abrama nitondra an\u2019 i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin\u2019 ny fananan\u2019 izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin\u2019 ny tany Kanana, ka tonga tany amin\u2019 ny tany Kanana izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:6", "text": "Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan\u2019 i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:7", "text": "Ary Jehovah niseho tamin\u2019 i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an\u2019 i Jehovah Izay niseho taminy. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:8", "text": "Ary nifindra niala teo izy hankany amin\u2019 ny tendrombohitra atsinanan\u2019 i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan\u2019 i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an\u2019 i Jehovah izy ka niantso ny anaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:9", "text": "Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin\u2019 ny tany atsimo. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:10", "text": "Ary nisy mosary teo amin\u2019 ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:11", "text": "Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin\u2019 i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao, " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:12", "text": "ka, raha hitan\u2019 ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:13", "text": "Mas\u00ecna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:14", "text": "Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan\u2019 ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:15", "text": "Ary nahita azy ny tandapan\u2019 i Farao ka nidera azy tamin\u2019 i Farao; dia nentina tao an-tranon\u2019 i Farao izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:16", "text": "Ary Abrama nasian\u2019 i Farao soa noho ny amin\u2019 i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:17", "text": "Dia nasian\u2019 i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin\u2019 i Saray, vadin\u2019 i Abrama. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:18", "text": "Ary Farao dia nampaka an\u2019 i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:19", "text": "Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "Genesis 12:20", "text": "Dia nomen\u2019 i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin\u2019 i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin\u2019 ny fananany rehetra ireo. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Genesis 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:1", "text": " Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin\u2019 ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin\u2019 ny tany atsimo. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:2", "text": "Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman\u2019 ondry sy volafotsy ary volamena. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:3", "text": "Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin\u2019 ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan\u2019 ny lainy tamin\u2019 ny voalohany, teo anelanelan\u2019 i Betela sy Ay, " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:4", "text": "dia teo amin\u2019 ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin\u2019 ny voalohany; ary dia niantso ny anaran\u2019 i Jehovah teo Abrama. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:5", "text": "Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin\u2019 i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:6", "text": "Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:7", "text": "Dia niady ny mpiandry ombin\u2019 i Abrama sy ny mpiandry ombin\u2019 i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:8", "text": "Ary hoy Abrama tamin\u2019 i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin\u2019 ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:9", "text": "Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Mas\u00ecna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:10", "text": "Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron\u2019 i Jordana hatrany akaikin\u2019 i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan\u2019 ny nandravan\u2019 i Jehovah an\u2019 i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan\u2019 i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:11", "text": "Dia nofidin\u2019 i Lota ho azy ny tany rehetra amoron\u2019 i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:12", "text": "Ary Abrama nonina tao amin\u2019 ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tan\u00e0na amin\u2019 ny tany amoron\u2019 i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:13", "text": "Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:14", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Abrama taorian\u2019 ny nisarahan\u2019 i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin\u2019 ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:15", "text": "fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:16", "text": "Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:17", "text": "Miaing\u00e0 ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin\u2019 ny lavany sy any amin\u2019 ny sakany; fa homeko anao izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Genesis 13:18", "text": "Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan\u2019 i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an\u2019 i Jehovah izy. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Genesis 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny andron\u2019 i Amrafela, mpanjakan\u2019 i Sinara, sy Arioka, mpanjakan\u2019 i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan\u2019 i Elama, ary Tidala, mpanjakan\u2019 ny Go\u00efma, " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:2", "text": "dia nandeha izy ireo ka nanafika an\u2019 i Bera, mpanjakan\u2019 i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan\u2019 i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan\u2019 i Adma, sy Semebera, mpanjakan\u2019 i Zebo\u00efma, ary ny mpanjakan\u2019 i Bela (dia Zoara izany). " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:3", "text": "Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan\u2019 i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany). " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:4", "text": "Fa efa nanompo an\u2019 i Kedorlaomera roa ambin\u2019 ny folo taona ireo, fa tamin\u2019 ny taona fahatelo ambin\u2019 ny folo kosa dia niodina izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:5", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahefatra ambin\u2019 ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refa\u00efta tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:6", "text": "ary ny Horita tany an-tendrombohitra Se\u00efra hatrany El-parana, izay eo anilan\u2019 ny efitra. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:7", "text": "Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an\u2019 ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:8", "text": "Dia nivoaka ny mpanjakan\u2019 i Sodoma sy ny mpanjakan\u2019 i Gomora sy ny mpanjakan\u2019 i Adma sy ny mpanjakan\u2019 i Zebo\u00efma ary ny mpanjakan\u2019 i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin\u2019 ireo teo an-dohasahan\u2019 i Sidima, " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:9", "text": "dia tamin\u2019 Kedorlaomera, mpanjakan\u2019 i Elama, sy Tidala, mpanjakan\u2019 ny Go\u00efma sy Amrafela, mpanjakan\u2019 i Sinara ary Arioka, mpanjakan\u2019 i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin\u2019 ny mpanjaka dimy. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:10", "text": "Ary ny lohasahan\u2019 i Sidima, dia be lavak\u2019 asfalta, ary nandositra ny mpanjakan\u2019 i Sodoma sy ny mpanjakan\u2019 i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:11", "text": "Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra, dia lasa nandeha. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:12", "text": "Ary namabo ny zana-drahalahin\u2019 i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin\u2019 ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:13", "text": "Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin\u2019 i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan\u2019 i Mamre Amorita, rahalahin\u2019 i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin\u2019 i Abrama. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:14", "text": "Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin\u2019 ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:15", "text": "Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr\u2019 i Damaskosy. " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:16", "text": "Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin\u2019 ny vehivavy sy ny vahoaka. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:17", "text": "Dia nivoaka ny mpanjakan\u2019 i Sodoma hitsena an\u2019 i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan\u2019 ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an\u2019 i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:18", "text": "Ary Melkizedeka, mpanjakan\u2019 i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron\u2019 Andriamanitra Avo Indrindra. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:19", "text": "Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin\u2019 Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:20", "text": "Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen\u2019 i Abrama azy ny ampahafolon\u2019 ny zavatra rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:21", "text": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019 i Sodoma tamin\u2019 i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:22", "text": "Fa hoy Abrama tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:23", "text": "fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin\u2019 izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an\u2019 i Abrama, " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "Genesis 14:24", "text": "afa-tsy izay efa nohanin\u2019 ny zatovo sy ny anjaran\u2019 ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin\u2019 ireo ny anjarany. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Genesis 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:1", "text": " Rehefa afaka izany, dia tonga tamin\u2019 i Abrama ny tenin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:2", "text": "Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo \u00f4, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon\u2019 ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:3", "text": "Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin\u2019 ny ato an-tranoko no handova ahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:4", "text": "Ary, indro, ny tenin\u2019 i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:5", "text": "Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan\u2019 ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:6", "text": "Ary nino an\u2019 i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:7", "text": "Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran\u2019 ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:8", "text": "Ary hoy Izy: Jehovah Tompo \u00f4, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:9", "text": "Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:10", "text": "Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:11", "text": "Ary nidina teo amin\u2019 ny fatin\u2019 ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:12", "text": "Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:13", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin\u2019 ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:14", "text": "Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:15", "text": "Nefa ianao kosa ho any amin\u2019 ny razanao amin\u2019 ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:16", "text": "Fa raha mby amin\u2019 ny zafiafy, dia hiverina at\u1ef3 izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:17", "text": "Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan\u2019 ireo zavatra voasasaka ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:18", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin\u2019 i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin\u2019 ny onin\u2019 i Egypta ka hatrany amin\u2019 ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:19", "text": "dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:20", "text": "ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refa\u00efta " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "Genesis 15:21", "text": "ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Genesis 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:1", "text": " Ary Saray, vadin\u2019 i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:2", "text": "Ary hoy Saray tamin\u2019 i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; mas\u00ecna ianao, mivadia amin\u2019 ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken\u2019 i Abrama ny tenin\u2019 i Saray. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:3", "text": "Ary rehefa nonina folo taona teo amin\u2019 ny tany Kanana Abrama, dia nalain\u2019 i Saray, vadin\u2019 i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an\u2019 i Abrama vadiny mba hovadiny. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:4", "text": "Dia nivady tamin\u2019 i Hagara izy, ka nanan\u2019 anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan\u2019 anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:5", "text": "Ary hoy Saray tamin\u2019 i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan\u2019 anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:6", "text": "Ary hoy Abrama tamin\u2019 i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin\u2019 i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:7", "text": "Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah nahita azy teo anilan\u2019 ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan\u2019 ilay loharano eo amin\u2019 ny lalana mankany Sora. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:8", "text": "Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin\u2019 i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan\u2019 i Saray tompovaviko aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:9", "text": "Ary hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah taminy: Miverena any amin\u2019 ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:10", "text": "Ary hoy koa Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:11", "text": "Ary hoy indray Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah taminy: Indro, manan\u2019 anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:12", "text": "Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny t\u00e0nany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan\u2019 ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin\u2019 ny rahalahiny rehetra izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:13", "text": "Ary Hagara nanao ny anaran\u2019 i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian\u2019 ny fahitana? " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:14", "text": "Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan\u2019 i Kadesy sy Bareda izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:15", "text": "Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin\u2019 i Abrama; ary ny anaran\u2019 ny zanany izay naterany dia nataon\u2019 i Abrama hoe Isimaela. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "Genesis 16:16", "text": "Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an\u2019 Isimaela taminy. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Genesis 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:1", "text": " Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan\u2019 i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:2", "text": "Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:3", "text": "Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:4", "text": "Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain\u2019 ny firenena maro ianao. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:5", "text": "Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain\u2019 ny firenena maro ianao. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:6", "text": "Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:7", "text": "Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin\u2019 ny taranakao mandimby anao hatramin\u2019 ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:8", "text": "Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:9", "text": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin\u2019 ny taranaka fara mandimby. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:10", "text": "Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:11", "text": "Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:12", "text": "Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby: na ny ompikely, na izay novidim-bola tamin\u2019 ny hafa firenena ka tsy avy amin\u2019 ny taranakao. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:13", "text": "Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin\u2019 ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:14", "text": "Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:15", "text": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Abrahama: Ny amin\u2019 i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:16", "text": "Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan\u2019 ny firenena maro avy aminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:17", "text": "Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:18", "text": "Ary hoy Abrahama tamin\u2019 Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:19", "text": "Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an\u2019 ny taranany mandimby azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:20", "text": "Ary ny amin\u2019 Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin\u2019 ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. " }, { "verse": 21, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:21", "text": "Nefa ny fanekeko haoriko amin\u2019 Isaka, izay haterak\u2019 i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao. " }, { "verse": 22, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:22", "text": "Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin\u2019 i Abrahama. " }, { "verse": 23, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:23", "text": "Koa dia nalain\u2019 i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin\u2019 izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain\u2019 Andriamanitra taminy. " }, { "verse": 24, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:24", "text": "Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:25", "text": "Ary efa telo ambin\u2019 ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:26", "text": "Androtrizay indrindra no namorana an\u2019 i Abrahama sy Isimaela zanany; " }, { "verse": 27, "chapter": 17, "name": "Genesis 17:27", "text": "ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin\u2019 izay novidim-bola tamin\u2019 ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Genesis 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:1", "text": " Ary Jehovah niseho tamin\u2019 i Abrahama teo an-kazo terebintan\u2019 i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran\u2019 ny lainy izy, raha nafana ny andro; " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:2", "text": "dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran\u2019 ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:3", "text": "ka nanao hoe: Tompo \u00f4, raha mahita fitia eto imasonao aho, mas\u00ecna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:4", "text": "Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo; " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:5", "text": "dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga at\u1ef3 amin\u2019 ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:6", "text": "Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin\u2019 i Saraha ka nanao hoe: Faingana, mak\u00e0 koba tsara toto intelon\u2019 ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:7", "text": "Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin\u2019 ny omby, dia naka zanak\u2019 omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin\u2019 ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:8", "text": "Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak\u2019 omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan\u2019 izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin\u2019 ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:9", "text": "Ary hoy izy telo lahy tamin\u2019 i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:10", "text": "Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran\u2019 ny lay, izay teo ivohon\u2019 Ilay niteny. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:11", "text": "Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin\u2019 ny fombam-behivavy Saraha. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:12", "text": "Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:13", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:14", "text": "Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain\u2019 i Jehovah va? Amin\u2019 ny fotoan\u2019 andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:15", "text": "Dia nand\u00e0 Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:16", "text": " Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an\u2019 i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:17", "text": "Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin\u2019 i Abrahama va izay hataoko? " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:18", "text": "Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:19", "text": "Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman\u2019 ireo ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran\u2019 i Jehovah amin\u2019 i Abrahama izay efa nolazainy taminy. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:20", "text": "Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan\u2019 i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:21", "text": "hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan\u2019 ny tany, izay efa tonga at\u1ef3 amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:22", "text": "Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:23", "text": "Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin\u2019 ny meloka va ny marina? " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:24", "text": "Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tan\u00e0na; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tan\u00e0na noho ny dimam-polo marina izay ao? " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:25", "text": "Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin\u2019 ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra? " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:26", "text": "Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tan\u00e0na Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tan\u00e0na rehetra noho ireny. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:27", "text": "Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin\u2019 ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:28", "text": "Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tan\u00e0na rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:29", "text": "Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:30", "text": "Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. " }, { "verse": 31, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:31", "text": "Ary hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin\u2019 ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo. " }, { "verse": 32, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:32", "text": "Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. " }, { "verse": 33, "chapter": 18, "name": "Genesis 18:33", "text": "Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin\u2019 i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin\u2019 ny fonenany. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Genesis 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:1", "text": " Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin\u2019 i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:2", "text": "Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon\u2019 ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin\u2019 izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:3", "text": "Ary rehefa noteren\u2019 i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:4", "text": "Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tan\u00e0na Sodoma, hatramin\u2019 ny tanora ka hatramin\u2019 ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tan\u00e0na; " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:5", "text": "dia niantso an\u2019 i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho at\u1ef3 aminay izy hahalalanay azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:6", "text": "Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony; " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:7", "text": "ary hoy izy: Mas\u00ecna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:8", "text": "Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; mas\u00ecna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin\u2019 ny tafon-tranoko izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:9", "text": "Ary hoy izy ireo: Mial\u00e0 eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga et\u1ef3 hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin\u2019 ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an\u2019 i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:10", "text": "Fa naninjitra ny t\u00e0nany izy roa lahy, dia nanintona an\u2019 i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:11", "text": "Dia nampanjambena ny mason\u2019 ny lehilahy izay teo am-baravaran\u2019 ny trano izy hatramin\u2019 ny kely ka hatramin\u2019 ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:12", "text": "Ary hoy izy roa lahy tamin\u2019 i Lota: Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tan\u00e0na, ento miala amin\u2019 ity tan\u00e0na ity; " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:13", "text": "fa horavanay ity tan\u00e0na ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan\u2019 i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:14", "text": "Dia nivoaka Lota ary niteny tamin\u2019 ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaing\u00e0, miala amin\u2019 ity tan\u00e0na ity; fa horavan\u2019 i Jehovah ity tan\u00e0na ity. Fa nataon\u2019 ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:15", "text": "Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an\u2019 i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaing\u00e0, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:16", "text": "Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan\u2019 izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon\u2019 i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:17", "text": "Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin\u2019 ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:18", "text": "Ary hoy Lota taminy: Aza an\u2019 izany, Tompo \u00f4! " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:19", "text": "indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho; " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:20", "text": "indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; mas\u00ecna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:21", "text": "Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin\u2019 izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:22", "text": "Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran\u2019 ny tan\u00e0na hoe Zoara. " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:23", "text": "Ary ny masoandro efa niposaka tamin\u2019 ny tany, raha tonga tao Zoara Lota. " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:24", "text": "Ary Jehovah nandatsaka tamin\u2019 i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin\u2019 i Jehovah tany an-danitra, " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:25", "text": "ka nandrava ireny tan\u00e0na ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tan\u00e0na ary ny zava-maniry teo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 26, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:26", "text": "Fa ny vadin\u2019 i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:27", "text": "Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin\u2019 ilay efa nijanonany teo anatrehan\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 28, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:28", "text": "ary nitsinjo an\u2019 i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. " }, { "verse": 29, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:29", "text": "Ary raha noravan\u2019 Andriamanitra ny tan\u00e0na tany amin\u2019 ny tany lemaka, dia nahatsiaro an\u2019 i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an\u2019 i Lota hiala teo afovoan\u2019 ny horavana, tamin\u2019 ny nandravany ny tan\u00e0na izay nonenan\u2019 i Lota. " }, { "verse": 30, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:30", "text": " Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy. " }, { "verse": 31, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:31", "text": "Ary hoy ny vavimatoa tamin\u2019 ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin\u2019 ny tany hanambady antsika araka ny fanaon\u2019 ny tany rehetra; " }, { "verse": 32, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:32", "text": "andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin\u2019 ny raintsika. " }, { "verse": 33, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:33", "text": "Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin\u2019 iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany. " }, { "verse": 34, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:34", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny dia hoy ny vavimatoa tamin\u2019 ny zandriny: Indro, efa nandry tamin\u2019 ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia mid\u00ecra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin\u2019 ny raintsika. " }, { "verse": 35, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:35", "text": "Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin\u2019 iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany. " }, { "verse": 36, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:36", "text": "Dia samy nanan\u2019 anaka tamin-drainao ny zanak\u2019 i Lota roa vavy. " }, { "verse": 37, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:37", "text": "Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain\u2019 ny Moabita mandraka androany. " }, { "verse": 38, "chapter": 19, "name": "Genesis 19:38", "text": "Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain\u2019 ny taranak\u2019 i Amona mandraka androany. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Genesis 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:1", "text": " Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin\u2019 ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan\u2019 i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:2", "text": "Ary hoy ny filazan\u2019 i Abrahama an\u2019 i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan\u2019 i Gerara, nampaka an\u2019 i Saraha. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:3", "text": "Fa Andriamanitra nankeo amin\u2019 i Abimeleka, tamin\u2019 ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin\u2019 olona izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:4", "text": "Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo \u00f4, hovonoinao koa va izay firenena marina? " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:5", "text": "Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin\u2019 ny fahatsoran\u2019 ny foko sy ny fahadiovan\u2019 ny tanako no nanaovako izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:6", "text": "Ary hoy Andriamanitra taminy tamin\u2019 ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin\u2019 ny fahatsoran\u2019 ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:7", "text": "Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin\u2019 izay rehetra mety ho anao. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:8", "text": "Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:9", "text": "Ary Abimeleka dia nampaka an\u2019 i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin\u2019 ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:10", "text": "Ary hoy koa Abimeleka tamin\u2019 i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao? " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:11", "text": "Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an\u2019 Andriamanitra tokoa amin\u2019 ity tany ity, ka hovonoin\u2019 ny olona aho noho ny amin\u2019 ny vadiko. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:12", "text": "Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin\u2019 ny raiko, fa tsy mba zanakavavin\u2019 ny reniko; ka dia nanambady azy aho. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:13", "text": "Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin\u2019 ny tranon\u2019 ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin\u2019 ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin\u2019 izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:14", "text": "Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an\u2019 i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:15", "text": "Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin\u2019 izay tianao. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:16", "text": "Ary hoy kosa izy tamin\u2019 i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin\u2019 izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin\u2019 izany rehetra izany. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:17", "text": "Ary Abrahama dia nifona tamin\u2019 Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an\u2019 i Abimeleka sy ny vadiny mbamin\u2019 ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "Genesis 20:18", "text": "Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin\u2019 ny ankohonan\u2019 i Abimeleka noho ny amin\u2019 i Saraha, vadin\u2019 i Abrahama. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Genesis 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:1", "text": " Ary Jehovah namangy an\u2019 i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Saraha araka ilay efa noteneniny. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:2", "text": "Dia nanan\u2019 anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin\u2019 i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin\u2019 ny fotoana izay efa nolazain\u2019 Andriamanitra taminy. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:3", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny zanany izay teraka, ilay naterak\u2019 i Saraha taminy dia nataon\u2019 i Abrahama hoe Isaka. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:4", "text": "Dia noforan\u2019 i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian\u2019 Andriamanitra azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:5", "text": "Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an\u2019 i Isaka zanany izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:6", "text": "Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin\u2019 Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:7", "text": "Ary hoy koa izy: Nampoizin\u2019 iza akory moa no hilaza amin\u2019 i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:8", "text": "Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin\u2019 ny andro nanotazana an\u2019 Isaka. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:9", "text": "Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak\u2019 i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin\u2019 i Abrahama. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:10", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak\u2019 io andevovavy io tsy hiray lova amin\u2019 ny zanako, dia amin\u2019 Isaka. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:11", "text": "Fa ratsy teo imason\u2019 i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin\u2019 ny zanany. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:12", "text": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin\u2019 ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain\u2019 i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin\u2019 Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:13", "text": "Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:14", "text": "Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an\u2019 i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr\u2019 i Beri-sheba. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:15", "text": "Ary rehefa lany ny rano tao amin\u2019 ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:16", "text": "Dia lasa izy ka nipetraka ter\u1ef3 lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsip\u00ecka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan\u2019 ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany. " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:17", "text": "Ary ren\u2019 Andriamanitra ny feon\u2019 ny zaza, dia niantso an\u2019 i Hagara Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren\u2019 Andriamanitra ny feon\u2019 ny zaza eo amin\u2019 ny itoerany. " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:18", "text": "Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:19", "text": "Dia nampahiratin\u2019 Andriamanitra ny mason\u2019 i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:20", "text": "Ary nomban\u2019 Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsip\u00ecka. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:21", "text": "Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan\u2019 ny reniny vady avy tany amin\u2019 ny tany Egypta izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:22", "text": " Ary tamin\u2019 izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin\u2019 ny miaramilany, dia niteny tamin\u2019 i Abrahama ka nanao hoe: Omban\u2019 Andriamanitra ianao amin\u2019 izay rehetra ataonao; " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:23", "text": "koa ankehitriny ianiano amin\u2019 Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin\u2019 ny tany izay ivahinianao. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:24", "text": "Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho. " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:25", "text": "Ary Abrahama nananatra an\u2019 i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain\u2019 ny mpanompon\u2019 i Abimeleka an-keriny " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:26", "text": "Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao. " }, { "verse": 27, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:27", "text": "Ary Abrahama naka ondry aman\u2019 osy sy omby, ka nomeny an\u2019 i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy. " }, { "verse": 28, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:28", "text": "Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin\u2019 ny ondry. " }, { "verse": 29, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:29", "text": "Ary hoy Abimeleka tamin\u2019 i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo? " }, { "verse": 30, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:30", "text": "Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin\u2019 ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io. " }, { "verse": 31, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:31", "text": "Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan\u2019 izy roa lahy. " }, { "verse": 32, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:32", "text": "Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin\u2019 ny miaramilany, ka niverina ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 33, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:33", "text": "Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran\u2019 i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay. " }, { "verse": 34, "chapter": 21, "name": "Genesis 21:34", "text": "Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "Genesis 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:1", "text": " Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan\u2019 Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama \u00f4! ary hoy izy; Inty aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:2", "text": "Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin\u2019 ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin\u2019 ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:3", "text": "Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin\u2019 ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin\u2019 ny tany izay efa nolazain\u2019 Andriamanitra taminy, " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:4", "text": "Nony tamin\u2019 ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany ter\u1ef3 lavitra er\u1ef3. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:5", "text": "Ary hoy Abrahama tamin\u2019 ny zatovony: Mijan\u00f2na eto amin\u2019 ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hanker\u1ef3; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:6", "text": "Dia nalain\u2019 i Abrahama ny hazo hataina amin\u2019 ny fanatitra dorana ka natataony an\u2019 Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-t\u00e0nany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:7", "text": "Ary Isaka niteny tamin\u2019 i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky \u00f4! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:8", "text": "Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:9", "text": "Ary rehefa tonga teo amin\u2019 ny tany izay efa nolazain\u2019 Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an\u2019 i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin\u2019 ny alitara teo ambonin\u2019 ny kitay. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:10", "text": "Ary Abrahama naninjitra ny t\u00e0nany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:11", "text": "Fa niantso azy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama \u00f4! ary hoy kosa izy: Inty aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:12", "text": "Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin\u2019 ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an\u2019 Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:13", "text": "Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon\u2019 ny zanany. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:14", "text": "Ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia nataon\u2019 i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:15", "text": "Dia niantso an\u2019 i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:16", "text": "ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:17", "text": "dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin\u2019 ny fahavalony; " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:18", "text": "ary amin\u2019 ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:19", "text": "Ary Abrahama dia niverina nankeny amin\u2019 ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:20", "text": " Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin\u2019 i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin\u2019 i Nahora rahalahinao, " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:21", "text": "dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain\u2019 i Arama, " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:22", "text": "ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela. " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:23", "text": "Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak\u2019 i Milka tamin\u2019 i Nahora, rahalahin\u2019 i Abrahama. " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "Genesis 22:24", "text": "Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an\u2019 i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "Genesis 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:1", "text": " Ary ny andro niainan\u2019 i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan\u2019 i Saraha. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:2", "text": "Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin\u2019 ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an\u2019 i Saraha sy hitomany azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:3", "text": "Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan\u2019 ny fatin\u2019 ny vadiny, dia niteny tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Heta ka nanao hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:4", "text": "Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin\u2019 ny vadiko tsy ho eto anatrehako. " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:5", "text": "Dia namaly an\u2019 i Abrahama ny taranak\u2019 i Heta ka nanao taminy hoe: " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:6", "text": "Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin\u2019 ny fasanay no andeveno ny fatin\u2019 ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin\u2019 ny vadinao. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:7", "text": "Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan\u2019 ny taranak\u2019 i Heta tompon-tany, " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:8", "text": "dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin\u2019 ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin\u2019 i Efrona, zanak\u2019 i Zohara, " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:9", "text": "mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin\u2019 ny sisin\u2019 ny sahany; amin\u2019 izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:10", "text": "Ary Efrona nipetraka teo amin\u2019 ny taranak\u2019 i Heta; dia namaly an\u2019 i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan\u2019 ny taranak\u2019 i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin\u2019 ny tan\u00e0nany, ka nanao hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:11", "text": "Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason\u2019 ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin\u2019 ny vadinao. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:12", "text": "Ary niankohoka teo anatrehan\u2019 ny olona tompon-tany Abrahama, " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:13", "text": "dia niteny tamin\u2019 i Efrona teo anatrehan\u2019 ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin\u2019 ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin\u2019 ny vadiko. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:14", "text": "Ary Efrona dia namaly an\u2019 i Abrahama ka nanao taminy hoe: " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:15", "text": "Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin\u2019 ny vadinao. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:16", "text": "Dia neken\u2019 i Abrahama ny tenin\u2019 i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan\u2019 ny taranak\u2019 i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin\u2019 ny mpivarotra. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:17", "text": "Ary ny sahan\u2019 i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin\u2019 i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin\u2019 ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin\u2019 ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:18", "text": "tamini\u2019 i Abrahama ho fananana, teo imason\u2019 ny taranak\u2019 i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin\u2019 ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:19", "text": "Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an\u2019 i Saraha vadiny tao amin\u2019 ny zohy tao amin\u2019 ny saha Makpela tandrifin\u2019 i Mamre (Hebrona izany), ao amin\u2019 ny tany Kanana; " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "Genesis 23:20", "text": "ka ny saha mbamin\u2019 ny zohy izay ao anatiny dia nataon\u2019 ny taranak\u2019 i Heta varo-maty tamin\u2019 i Abrahama ho tany fandevenana. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "Genesis 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:1", "text": " Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an\u2019 i Abrahama tamin\u2019 ny zavatra rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:2", "text": "Ary hoy Abrahama tamin\u2019 ilay lehiben\u2019 ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin\u2019 ny feko ny tananao; " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:3", "text": "fa hampianianiko amin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an\u2019 ny zanako avy amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Kananita izay iraisako monina ianao; " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:4", "text": "fa any amin\u2019 ny tanin-drazako sy amin\u2019 ny havako no halehanao haka vady ho an\u2019 Isaka zanako. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:5", "text": "Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin\u2019 ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin\u2019 ny tany izay nialanao va aho? " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:6", "text": "Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:7", "text": "Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin\u2019 ny tranon\u2019 ny raiko sy tamin\u2019 ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an\u2019 ny zanako. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:8", "text": "Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin\u2019 izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:9", "text": "Ary nataon\u2019 ilay mpanompo tambanin\u2019 ny fen\u2019 i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin\u2019 izany zavatra izany izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:10", "text": "Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin\u2019 ny ramevan\u2019 ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan\u2019 ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tan\u00e0nan\u2019 i Nahora. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:11", "text": "Ary nampandohalehiny teo ivelan\u2019 ny tan\u00e0na tanilan\u2019 ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin\u2019 ilay fandehanan\u2019 ny vehivavy mpantsaka iny " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:12", "text": "Dia hoy izy: Jehovah \u00f4, Andriamanitr\u2019 i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:13", "text": "Indro, mijanona eto anilan\u2019 ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin\u2019 ny mponina ao an-tan\u00e0na mivoaka hantsaka rano; " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:14", "text": "koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an\u2019 Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:15", "text": "Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak\u2019 i Betoela, zanakalahin\u2019 i Milka, vadin\u2019 i Nahpra, rahalahin\u2019 i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:16", "text": "Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin\u2019 ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:17", "text": "Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin\u2019 ny sininao aho. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:18", "text": "Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-t\u00e0nany, ka nampisotroiny ralehilahy. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:19", "text": "Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:20", "text": "Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin\u2019 ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin\u2019 ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an\u2019 ny ramevany rehetra izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:21", "text": "Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin\u2019 i Jehovah ny nalehany, na tsia. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:22", "text": "Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin\u2019 orona volamena iray, lanjan\u2019 ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan\u2019 ny sekely folo, hatao amin\u2019 ny t\u00e0nany; " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:23", "text": "ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon\u2019 ny rainao? " }, { "verse": 24, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:24", "text": "Ary hoy izy taminy: Zanakavavin\u2019 i Betoela, zanakalahin\u2019 i Milka, izay naterany tamin\u2019 i Nahora, aho. " }, { "verse": 25, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:25", "text": "Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa. " }, { "verse": 26, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:26", "text": "Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 27, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:27", "text": "ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin\u2019 ny tompoko; fa izaho dia notantanan\u2019 i Jehovah teny an-dalana ho at\u1ef3 an-tranon\u2019 ny havan\u2019 ny tompoko. " }, { "verse": 28, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:28", "text": "Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin\u2019 ny tao an-tranon\u2019 ny reniny. " }, { "verse": 29, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:29", "text": "Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana. " }, { "verse": 30, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:30", "text": "Ary rehefa hitany ny kavin\u2019 orona sy ny haba teny an-t\u00e0nan\u2019 ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan\u2019 ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy. " }, { "verse": 31, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:31", "text": "Ary hoy Labana: Miakara, ry ilay notahin\u2019 i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran\u2019 ny rameva. " }, { "verse": 32, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:32", "text": "Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin\u2019 ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an\u2019 ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy. " }, { "verse": 33, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:33", "text": "Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary! " }, { "verse": 34, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:34", "text": "Dia hoy ralehilahy: Mpanompon\u2019 i Abrahama aho. " }, { "verse": 35, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:35", "text": "Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman\u2019 osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky. " }, { "verse": 36, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:36", "text": "Ary rehefa antitra Saraha, vadin\u2019 ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin\u2019 ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an\u2019 ny zanany izay rehetra ananany. " }, { "verse": 37, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:37", "text": "Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza mak\u00e0 vady ho an\u2019 ny zanako avy amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Kananita, izay iraisako monina; " }, { "verse": 38, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:38", "text": "fa any amin\u2019 ny tranon\u2019 ikaky sy any amin\u2019 ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an\u2019 ny zanako. " }, { "verse": 39, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:39", "text": "Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy. " }, { "verse": 40, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:40", "text": "Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an\u2019 ny zanako avy amin\u2019 ny havako sy amin\u2019 ny tranon\u2019 ikaky. " }, { "verse": 41, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:41", "text": "Dia ho afaka amin\u2019 ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin\u2019 ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin\u2019 ny fampianianako anao koa ianao. " }, { "verse": 42, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:42", "text": "Ary tonga androany teo amin\u2019 ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah \u00f4, Andriamanitr\u2019 i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao, " }, { "verse": 43, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:43", "text": "indro, mijanona eto anilan\u2019 ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin\u2019 ny sininao aho, " }, { "verse": 44, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:44", "text": "ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin\u2019 i Jehovah ho an\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny tompoko. " }, { "verse": 45, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:45", "text": "Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin\u2019 ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho. " }, { "verse": 46, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:46", "text": "Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy. " }, { "verse": 47, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:47", "text": "Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak\u2019 i Betoela, zanakalahin\u2019 i Nahora, aho, izay naterak\u2019 i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin\u2019 orona, ary ny haba teny amin\u2019 ny t\u00e0nany. " }, { "verse": 48, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:48", "text": "Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia nisaotra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin\u2019 ny lalana marina haka ny zanakavavin\u2019 ny rahalahin\u2019 ny tompoko, ho an\u2019 ny zanany " }, { "verse": 49, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:49", "text": "Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin\u2019 ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia. " }, { "verse": 50, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:50", "text": "Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin\u2019 i Jehovah no nisehoan\u2019 izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa. " }, { "verse": 51, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:51", "text": "Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin\u2019 ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 52, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:52", "text": "Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon\u2019 i Abrahama, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 53, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:53", "text": "Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny. " }, { "verse": 54, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:54", "text": "Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin\u2019 ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin\u2019 ny tompoko. " }, { "verse": 55, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:55", "text": "Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra at\u1ef3 aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy. " }, { "verse": 56, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:56", "text": "Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin\u2019 ny tompoko. " }, { "verse": 57, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:57", "text": "Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny. " }, { "verse": 58, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:58", "text": "Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin\u2019 io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho. " }, { "verse": 59, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:59", "text": "Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon\u2019 i Abrahama mbamin\u2019 ny olony izy. " }, { "verse": 60, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:60", "text": "Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin\u2019 izay mankahala azy. " }, { "verse": 61, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:61", "text": "Ary niainga Rebeka mbamin\u2019 ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. " }, { "verse": 62, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:62", "text": "Ary Isaka efa tonga avy tamin\u2019 ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin\u2019 ny tany atsimo izy. " }, { "verse": 63, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:63", "text": "Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona. " }, { "verse": 64, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:64", "text": "Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an\u2019 Isaka; dia nidina faingana niala tamin\u2019 ny rameva izy. " }, { "verse": 65, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:65", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany. " }, { "verse": 66, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:66", "text": "Ary dia nambaran\u2019 ilay mpanompo tamin\u2019 Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony. " }, { "verse": 67, "chapter": 24, "name": "Genesis 24:67", "text": "Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain\u2019 i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "Genesis 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:1", "text": " Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany. " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:2", "text": "Dia niteraka an\u2019 i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin\u2019 i Abrahama izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:3", "text": "Ary Joksana niteraka an\u2019 i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin\u2019 i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:4", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak\u2019 i Ketora. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:5", "text": "Dia natolotr\u2019 i Abrahama an\u2019 Isaka izay rehetra nananany. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:6", "text": "Fa ny zanak\u2019 ireo vaditsindranony hafa, izay nananan\u2019 i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin\u2019 Isaka zanany hiantsinanana ho any amin\u2019 ny tany atsinanana. " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:7", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:8", "text": "Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin\u2019 ny razany izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:9", "text": "Ary nalevin\u2019 Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin\u2019 ny zohy ao Makpela, tao amin\u2019 ny sahan\u2019 i Efrona, zanak\u2019 i Zohara Hetita, izay tandrifin\u2019 i Mamre, " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:10", "text": "dia ilay saha izay novinidin\u2019 i Abrahama tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Heta; tao no nandevenana an\u2019 i Abrahama sy Saraha vadiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:11", "text": "Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin\u2019 Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin\u2019 i Bera-lahai-roy. " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:12", "text": " Ary izao no taranak\u2019 Isimaela, zanakalahin\u2019 i Abrahama izay naterak\u2019 i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin\u2019 i Saraha, tamin\u2019 i Abrahama: " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:13", "text": "Izao no anaran\u2019 ny zanakalahin\u2019 Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan\u2019 Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:14", "text": "sy Misma sy Doma sy Masa " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:15", "text": "sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema. " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:16", "text": "Izy ireo no zanakalahin\u2019 Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin\u2019 ny folo araka ny fireneny. " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:17", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin\u2019 ny razany. " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:18", "text": "Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin\u2019 i Egypta amin\u2019 ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin\u2019 ny rahalahiny rehetra no nitoerany. " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:19", "text": " Ary izao no taranak\u2019 Isaka, zanakalahin\u2019 i Abrahama: " }, { "verse": 20, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:20", "text": "Abrahama niteraka an\u2019 Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin\u2019 i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin\u2019 i Labana Syriana. " }, { "verse": 21, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:21", "text": "Ary Isaka nangataka tamin\u2019 i Jehovah ho an\u2019 ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin\u2019 i Jehovah ny fangatahany, dia nanan\u2019 anaka Rebeka vadiny. " }, { "verse": 22, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:22", "text": "Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:23", "text": "Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. " }, { "verse": 24, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:24", "text": "Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony. " }, { "verse": 25, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:25", "text": "Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kap\u00f4ty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. " }, { "verse": 26, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:26", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny t\u00e0nany nihazona ny ombelahin-tongotr\u2019 i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin\u2019 ny niterahana azy mirahalahy. " }, { "verse": 27, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:27", "text": "Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. " }, { "verse": 28, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:28", "text": "Ary Isaka tia an\u2019 i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 29, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:29", "text": "Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. " }, { "verse": 30, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:30", "text": "Dia hoy Esao tamin\u2019 i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). " }, { "verse": 31, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:31", "text": "Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. " }, { "verse": 32, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:32", "text": "Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana? " }, { "verse": 33, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:33", "text": "Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin\u2019 i Jakoba ny fizokiany. " }, { "verse": 34, "chapter": 25, "name": "Genesis 25:34", "text": "Ary Jakoba nanome an\u2019 i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan\u2019 i Esao ny fizokiany. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "Genesis 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:1", "text": " Ary nisy mosary indray teo amin\u2019 ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon\u2019 i Abrahama. Ary Isaka nankany amin\u2019 i Abimeleka mpanjakan\u2019 ny Filistina, tany Gerara. " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:2", "text": "Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza mid\u00ecna any Egypta ianao; mitoera eo amin\u2019 ny tany izay holazaiko aminao. " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:3", "text": "Mivahinia eto amin\u2019 ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin\u2019 i Abrahama rainao; " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:4", "text": "dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin\u2019 ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany; " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:5", "text": "satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lal\u00e0ko. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:6", "text": "Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:7", "text": "Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin\u2019 ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:8", "text": "Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan\u2019 ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:9", "text": "Ary Abimeleka dia niantso an\u2019 Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:10", "text": "Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin\u2019 ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:11", "text": "Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:12", "text": "Dia namafy tamin\u2019 izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin\u2019 izay taona izay, satria efa notahin\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:13", "text": "Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra; " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:14", "text": "fa nanana fananana be izy, dia ondry aman\u2019 osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina. " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:15", "text": "Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin\u2019 ny mpanompon-drainy fony fahavelon\u2019 i Abrahama rainy, dia efa novonoin\u2019 ny Filistina sy nototofany tany avokoa. " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:16", "text": "Ary hoy Abimeleka tamin\u2019 Isaka: Miala at\u1ef3 aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay. " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:17", "text": "Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan\u2019 i Gerara ka nonina teo. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:18", "text": "Dia noloaran\u2019 Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon\u2019 i Abrahama rainy, fa efa novonoin\u2019 ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany. " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:19", "text": "Dia nihady teo amin\u2019 ny lohasaha ny mpanompon\u2019 Isaka ka nahita loharano velona teo. " }, { "verse": 20, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:20", "text": "Ary niady tamin\u2019 ny mpiandry ombin\u2019 Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran\u2019 ny lavaka fantsakana dia nataon\u2019 Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo. " }, { "verse": 21, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:21", "text": "Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna. " }, { "verse": 22, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:22", "text": "Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen\u2019 i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 23, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:23", "text": " Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba. " }, { "verse": 24, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:24", "text": "Ary Jehovah niseho taminy tamin\u2019 iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr\u2019 i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin\u2019 i Abrahama mpanompoko. " }, { "verse": 25, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:25", "text": "Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran\u2019 i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon\u2019 Isaka. " }, { "verse": 26, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:26", "text": "Ary Abimeleka mbamin\u2019 i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin\u2019 ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin\u2019 Isaka. " }, { "verse": 27, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:27", "text": "Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo? " }, { "verse": 28, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:28", "text": "Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao, " }, { "verse": 29, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:29", "text": "fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 30, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:30", "text": "Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:31", "text": "Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin\u2019 Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:32", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany dia avy ny mpanompon\u2019 Isaka ka nanambara taminy ny amin\u2019 ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay. " }, { "verse": 33, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:33", "text": "Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran\u2019 ny tan\u00e0na hoe Beri-sheba mandraka androany. " }, { "verse": 34, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:34", "text": " Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an\u2019 i Jodita, zanakavavin\u2019 i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin\u2019 i Elona Hetita, izy. " }, { "verse": 35, "chapter": 26, "name": "Genesis 26:35", "text": "Dia nangidy tamin\u2019 ny fanahin\u2019 Isaka sy Rebeka indrindra ireny. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "Genesis 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:1", "text": " Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an\u2019 i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:2", "text": "Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako; " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:3", "text": "koa ankehitriny, mas\u00ecna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsip\u00eckanao sy ny tsip\u00eckanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho; " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:4", "text": "ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento at\u1ef3 amiko hohaniko, mba hitsofan\u2019 ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:5", "text": "Ary Rebeka nandre an\u2019 Isaka niteny tamin\u2019 i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:6", "text": "Ary Rebeka niteny tamin\u2019 i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin\u2019 i Esao rahalahinao nanao hoe: " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:7", "text": "Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan\u2019 i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:8", "text": "Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin\u2019 izay asaiko ataonao. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:9", "text": "Mankanesa kely any amin\u2019 ny ondry aman\u2019 osy, ka analao zanak\u2019 osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an\u2019 ny rainao araka ilay tiany izany; " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:10", "text": "ary dia ho entinao any amin\u2019 ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:11", "text": "Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa; " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:12", "text": "ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano. " }, { "verse": 13, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:13", "text": "Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:14", "text": "Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin\u2019 ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian\u2019 ny rainy. " }, { "verse": 15, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:15", "text": "Ary nalain-dRebeka ny fitafian\u2019 i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an\u2019 i Jakoba zanany faralahy. " }, { "verse": 16, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:16", "text": "Ary ny hoditry ny zanak\u2019 osy dia nafonony ny t\u00e0nany sy ny malambolambo amin\u2019 ny vozony; " }, { "verse": 17, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:17", "text": "dia natolony teo an-t\u00e0nan\u2019 i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny. " }, { "verse": 18, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:18", "text": "Ary Jakoba nankany amin\u2019 ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky \u00f4! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka? " }, { "verse": 19, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:19", "text": "Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; mas\u00ecna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan\u2019 ny fanahinao rano ahy. " }, { "verse": 20, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:20", "text": "Ary hoy Isaka tamin\u2019 ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy. " }, { "verse": 21, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:21", "text": "Ary hoy Isaka tamin\u2019 i Jakoba; Mba manat\u00f2na kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia. " }, { "verse": 22, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:22", "text": "Ary Jakoba nanatona an\u2019 Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon\u2019 i Jakoba, fa ny tanana dia t\u00e0nan\u2019 i Esao. " }, { "verse": 23, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:23", "text": "Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan\u2019 i Esao rahalahiny ny t\u00e0nany; dia notsofiny rano izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:24", "text": "Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:25", "text": "Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan\u2019 ny zanako hihinanako, mba hitsofan\u2019 ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. " }, { "verse": 26, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:26", "text": "Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manat\u00f2na kely ka manoroha ahy, anaka. " }, { "verse": 27, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:27", "text": "Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon\u2019 ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon\u2019 ny zanako. Dia tahaka ny fofon\u2019 ny saha izay notahin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 28, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:28", "text": "Ary hanomezan\u2019 Andriamanitra anao anie ny andon\u2019 ny lanitra sy ny tsiron\u2019 ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka. " }, { "verse": 29, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:29", "text": "Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon\u2019 ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao. " }, { "verse": 30, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:30", "text": "Ary rehefa vita ny nitsofan\u2019 Isaka rano an\u2019 i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan\u2019 Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza. " }, { "verse": 31, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:31", "text": "Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin\u2019 ny rainy; ary hoy izy tamin\u2019 ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin\u2019 ny hazan\u2019 ny zanany, mba hitsofan\u2019 ny fanahinao rano ahy. " }, { "verse": 32, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:32", "text": "Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa. " }, { "verse": 33, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:33", "text": "Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:34", "text": "Raha vao ren\u2019 i Esao ny tenin\u2019 ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky \u00f4. " }, { "verse": 35, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:35", "text": "Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao. " }, { "verse": 36, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:36", "text": "Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao? " }, { "verse": 37, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:37", "text": "Dia namaly Isaka ka nanao tamin\u2019 i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka? " }, { "verse": 38, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:38", "text": "Ary hoy Esao tamin\u2019 ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky \u00f4. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany. " }, { "verse": 39, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:39", "text": "Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin\u2019 ny tsiron\u2019 ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin\u2019 ny andon\u2019 ny lanitra avy any ambony; " }, { "verse": 40, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:40", "text": "Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin\u2019 izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin\u2019 ny vozonao. " }, { "verse": 41, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:41", "text": " Ary Esao nanao fo-lentika tamin\u2019 i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an\u2019 ikaky, dia hamono an\u2019 i Jakoba rahalahiko aho. " }, { "verse": 42, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:42", "text": "Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin\u2019 i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an\u2019 i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao. " }, { "verse": 43, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:43", "text": "Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin\u2019 i Labana anadahiko. " }, { "verse": 44, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:44", "text": "Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran\u2019 ny rahalahinao, " }, { "verse": 45, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:45", "text": "eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran\u2019 ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro? " }, { "verse": 46, "chapter": 27, "name": "Genesis 27:46", "text": "Ary hoy Rebeka tamin\u2019 Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin\u2019 ny Hetita; raha maka vady amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin\u2019 ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko? " } ] }, { "chapter": 28, "name": "Genesis 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:1", "text": "Ary Isaka nampaka an\u2019 i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Kananita ianao. " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:2", "text": "Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin\u2019 ny tranon\u2019 i Betoela rain-dreninao; dia mak\u00e0 vady any, avy amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Labana anadahin-dreninao. " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:3", "text": "Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao; " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:4", "text": "ary homeny anao anie ny fitahiana an\u2019 i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen\u2019 Andriamanitra an\u2019 i Abrahama. " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:5", "text": "Ary Isaka nampandeha an\u2019 i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin\u2019 i Labana, zanak\u2019 i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin\u2019 i Jakoba sy Esao. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:6", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Esao fa Isaka efa nitso-drano an\u2019 i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Kananita ianao; " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:7", "text": "koa Jakoba efa nanaraka ny tenin\u2019 ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia; " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:8", "text": "ary hitan\u2019 i Esao fa efa ratsy teo imason\u2019 Isaka rainy ny zanakavavin\u2019 ny Kananita: " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:9", "text": "dia lasa Esao nankany amin\u2019 Isimaela ka naka an\u2019 i Mahalota, zanakavavin\u2019 Isimaela, zanak\u2019 i Abrahama, sady anabavin\u2019 i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin\u2019 ny vady izay nananany. " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:10", "text": " Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana. " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:11", "text": "Ary tonga teo amin\u2019 ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin\u2019 izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:12", "text": "Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin\u2019 ny tany, ka nipaka tamin\u2019 ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin\u2019 Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:13", "text": "Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Abrahama rainao sy Andriamanitr\u2019 Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao; " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:14", "text": "ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin\u2019 ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:15", "text": "Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin\u2019 izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin\u2019 ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao. " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:16", "text": "Ary Jakoba nahatsiaro tamin\u2019 ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin\u2019 ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala. " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:17", "text": "Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon\u2019 Andriamanitra sy vavahadin\u2019 ny lanitra. " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:18", "text": "Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy. " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:19", "text": "Ary ny anaran\u2019 izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran\u2019 ilay tan\u00e0na tany aloha. " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:20", "text": "Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin\u2019 izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:21", "text": "ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin\u2019 ny tranon\u2019 ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, " }, { "verse": 22, "chapter": 28, "name": "Genesis 28:22", "text": "ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon\u2019 Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "Genesis 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:1", "text": " Dia niainga Jakoba ka nankany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny zanaky ny atsinanana. " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:2", "text": "Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman\u2019 osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin\u2019 izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan\u2019 ny olona ny andian\u2019 ny ondry aman\u2019 osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan\u2019 ny fantsakana. " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:3", "text": "Ary nangonina teo ny andian\u2019 ny ondry aman\u2019 osy rehetra, dia nakodian\u2019 ny olona ny vato hiala amin\u2019 ny vavan\u2019 ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman\u2019 osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan\u2019 ny lavaka fantsakana ho amin\u2019 ny fitoerany. " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:4", "text": "Ary hoy Jakoba tamin\u2019 ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay. " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:5", "text": "Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin\u2019 i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany. " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:6", "text": "Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman\u2019 osy. " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:7", "text": "Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin\u2019 ny fotoana famoriana ny omby aman\u2019 ondry; ampisotroy ny ondry aman\u2019 osy, dia andeha, andraso. " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:8", "text": "Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian\u2019 ny ondry aman\u2019 osy rehetra, ka hakodian\u2019 ny olona ny vato hiala amin\u2019 ny vavan\u2019 ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman\u2019 osy izahay. " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:9", "text": "Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman\u2019 osin-drainy; fa mpiandry ondry izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:10", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Jakoba Rahely, zanakavavin\u2019 i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman\u2019 osin\u2019 i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin\u2019 ny vavan\u2019 ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman\u2019 osin\u2019 i Labana anadahin-dreniny izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:11", "text": "Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany. " }, { "verse": 12, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:12", "text": "Dia nambaran\u2019 i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy. " }, { "verse": 13, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:13", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Labana ny filazany an\u2019 i Jakoba, zanak\u2019 anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran\u2019 i Jakoba tamin\u2019 i Labana izany rehetra izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:14", "text": "Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba, " }, { "verse": 15, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:15", "text": "dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao. " }, { "verse": 16, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:16", "text": "Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran\u2019 ny zokiny, ary Rahely no anaran\u2019 ny zandriny. " }, { "verse": 17, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:17", "text": "Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bik\u00e0na sady tsara tarehy. " }, { "verse": 18, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:18", "text": "Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy. " }, { "verse": 19, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:19", "text": "Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko. " }, { "verse": 20, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:20", "text": "Dia nanompo an\u2019 i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:21", "text": "Ary hoy Jakoba tamin\u2019 i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr\u2019 androko. " }, { "verse": 22, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:22", "text": "Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana. " }, { "verse": 23, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:23", "text": "Kanjo nony hariva dia naka an\u2019 i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin\u2019 i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba. " }, { "verse": 24, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:24", "text": "Ary nomen\u2019 i Labana an\u2019 i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:25", "text": "Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin\u2019 i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho? " }, { "verse": 26, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:26", "text": "Dia hoy Labana: Tsy fanao at\u1ef3 amin\u2019 ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan\u2019 ny zokiny. " }, { "verse": 27, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:27", "text": "Tanteraho ny herinandron\u2019 ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray. " }, { "verse": 28, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:28", "text": "Dia nataon\u2019 i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen\u2019 i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny. " }, { "verse": 29, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:29", "text": "Ary nomen\u2019 i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:30", "text": "Dia novadin\u2019 i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an\u2019 i Labana fito taona indray izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:31", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan\u2019 anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely. " }, { "verse": 32, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:32", "text": "Dia nanan\u2019 anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian\u2019 ny vadiko aho. " }, { "verse": 33, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:33", "text": "Dia nanan\u2019 anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren\u2019 i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany. " }, { "verse": 34, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:34", "text": "Dia nanan\u2019 anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy. " }, { "verse": 35, "chapter": 29, "name": "Genesis 29:35", "text": "Dia nanan\u2019 anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an\u2019 i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy. " } ] }, { "chapter": 30, "name": "Genesis 30", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:1", "text": "Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin\u2019 i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin\u2019 i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:2", "text": "Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran\u2019 i Jakoba, ka hoy izy: Solon\u2019 Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho? " }, { "verse": 3, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:3", "text": "Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy. " }, { "verse": 4, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:4", "text": "Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin\u2019 i Jakoba koa izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:5", "text": "Dia nanan\u2019 anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 6, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:6", "text": "Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. " }, { "verse": 7, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:7", "text": "Dia nanan\u2019 anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 8, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:8", "text": "Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin\u2019 ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany. " }, { "verse": 9, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:9", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an\u2019 i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin\u2019 i Jakoba koa. " }, { "verse": 10, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:10", "text": "Ary Zilpa, ankizivavin\u2019 i Lea, dia niteraka zazalahy tamin\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 11, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:11", "text": "Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany. " }, { "verse": 12, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:12", "text": "Ary Zilpa, ankizivavin\u2019 i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 13, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:13", "text": "Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany. " }, { "verse": 14, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:14", "text": "Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin\u2019 ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin\u2019 i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin\u2019 i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman\u2019 ny zanakao. " }, { "verse": 15, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:15", "text": "Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman\u2019 ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman\u2019 ny zanakao. " }, { "verse": 16, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:16", "text": "Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman\u2019 ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin\u2019 iny alina iny. " }, { "verse": 17, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:17", "text": "Ary Andriamanitra nihaino an\u2019 i Lea, dia nanan\u2019 anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 18, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:18", "text": "Ary hoy Lea: Efa nomen\u2019 Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin\u2019 ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany. " }, { "verse": 19, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:19", "text": "Dia nanan\u2019 anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 20, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:20", "text": "Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin\u2019 izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany. " }, { "verse": 21, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:21", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany. " }, { "verse": 22, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:22", "text": "Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan\u2019 anaka azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:23", "text": "Ary nanan\u2019 anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra. " }, { "verse": 24, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:24", "text": "Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa. " }, { "verse": 25, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:25", "text": " Ary rehefa niteraka an\u2019 i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin\u2019 i Labana: Alefaso aho hankany amin\u2019 ny fonenako sy ny taniko. " }, { "verse": 26, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:26", "text": "Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao. " }, { "verse": 27, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:27", "text": "Ary hoy Labana taminy: Mas\u00ecna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian\u2019 i Jehovah ahy. " }, { "verse": 28, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:28", "text": "Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao. " }, { "verse": 29, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:29", "text": "Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman\u2019 ondrinao tato amiko. " }, { "verse": 30, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:30", "text": "Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin\u2019 ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an\u2019 ny ao an-tranoko? " }, { "verse": 31, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:31", "text": "Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman\u2019 osinao: " }, { "verse": 32, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:32", "text": "Handeha hitety ny ondry aman\u2019 osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin\u2019 ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin\u2019 ny osy; koa ireny no ho karamako. " }, { "verse": 33, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:33", "text": "Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin\u2019 ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin\u2019 ny osy, ary izay tsy mainty eo amin\u2019 ny ondry, dia ho halatro izany. " }, { "verse": 34, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:34", "text": "Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary. " }, { "verse": 35, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:35", "text": "Dia navahany tamin\u2019 izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin\u2019 ny ondry; dia natolony teo an-tanan\u2019 ny zananilahy ireny. " }, { "verse": 36, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:36", "text": "Ary nasiany lalan-kateloana teo anelanelan\u2019 izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman\u2019 osin\u2019 i Labana sisa. " }, { "verse": 37, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:37", "text": "Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin\u2019 ny hazo popola maitso sy tamin\u2019 ny hazo lozy sy tamin\u2019 ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan\u2019 ny fotsy izay teo amin\u2019 ny tsorakazo. " }, { "verse": 38, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:38", "text": "Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan\u2019 ny ondry aman\u2019 osy, teo anatin\u2019 ny tavin-drano, dia teo amin\u2019 ny fisotroan-drano, izay nalehan\u2019 ny ondry aman\u2019 osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy. " }, { "verse": 39, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:39", "text": "Dia nikambana tandrifin\u2019 ny tsorakazo ny ondry aman\u2019 osy ka niteraka sadika sy mara ary sada. " }, { "verse": 40, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:40", "text": "Ary ny zanak\u2019 ondry navahan\u2019 i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin\u2019 ny ondry aman\u2019 osin\u2019 i Labana; ary natokany izay ondry aman\u2019 osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin\u2019 ny ondry aman\u2019 osin\u2019 i Labana. " }, { "verse": 41, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:41", "text": "Ary na oviana na oviana no hikambanan\u2019 ny ondry aman\u2019 osy matanjaka, dia napetrak\u2019 i Jakoba teo anatin\u2019 ny tavin-drano teo anoloan\u2019 ny mason\u2019 ny ondry aman\u2019 osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan\u2019 ny tsorakazo. " }, { "verse": 42, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:42", "text": "Fa raha osaosa kosa ny ondry aman\u2019 osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an\u2019 i Labana, fa ny matanjaka kosa no an\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 43, "chapter": 30, "name": "Genesis 30:43", "text": "Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman\u2019 osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky. " } ] }, { "chapter": 31, "name": "Genesis 31", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:1", "text": " Ary Jakoba nandre ny tenin\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Labana nanao hoe: Efa lasan\u2019 i Jakoba avokoa izay rehetra nananan\u2019 ny raintsika; ary avy tamin\u2019 ny fananan\u2019 ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao. " }, { "verse": 2, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:2", "text": "Ary hitan\u2019 i Jakoba ny tarehin\u2019 i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:3", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Jakoba: Modia any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny razanao sy any amin\u2019 ny havanao; ary homba anao Aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:4", "text": "Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin\u2019 ny ondry aman\u2019 osiny " }, { "verse": 5, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:5", "text": "ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin\u2019 ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy. " }, { "verse": 6, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:6", "text": "Ary fantatrareo fa tamin\u2019 ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo. " }, { "verse": 7, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:7", "text": "Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan\u2019 Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:8", "text": "Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman\u2019 osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman\u2019 osy rehetra. " }, { "verse": 9, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:9", "text": "Dia nalain\u2019 Andriamanitra ny fananan\u2019 ny rainareo ka nomeny ahy. " }, { "verse": 10, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:10", "text": "Ary rehefa mby amin\u2019 ny andro izay nikambanan\u2019 ny ondry aman\u2019 osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin\u2019 ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin\u2019 ny ondrivavy sy ny osivavy. " }, { "verse": 11, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:11", "text": "Ary hoy Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra tamiko tamin\u2019 ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:12", "text": "Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin\u2019 ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon\u2019 i Labana taminao. " }, { "verse": 13, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:13", "text": "Izaho no Andriamanitr\u2019 i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaing\u00e0 ankehitriny hiala amin\u2019 ity tany ity, ka modia any amin\u2019 ny tany nahaterahanao. " }, { "verse": 14, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:14", "text": "Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon\u2019 ny rainay? " }, { "verse": 15, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:15", "text": "Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra. " }, { "verse": 16, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:16", "text": "Fa ny harena rehetra izay nalain\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny rainay, dia anay sy an\u2019 ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain\u2019 Andriamanitra taminao dia ataovy. " }, { "verse": 17, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:17", "text": "Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny; " }, { "verse": 18, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:18", "text": "dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman\u2019 osiny rehetra izy, mbamin\u2019 ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman\u2019 ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin\u2019 Isaka rainy any amin\u2019 ny tany Kanana. " }, { "verse": 19, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:19", "text": "Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman\u2019 osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy. " }, { "verse": 20, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:20", "text": "Ary Jakoba dia nangala-dia tamin\u2019 i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin\u2019 ny handosirany. " }, { "verse": 21, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:21", "text": "Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada. " }, { "verse": 22, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:22", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin\u2019 i Labana fa lasa nandositra Jakoba. " }, { "verse": 23, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:23", "text": "Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada. " }, { "verse": 24, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:24", "text": "Fa Andriamanitra nankeo amin\u2019 i Labana Syriana tamin\u2019 ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy. " }, { "verse": 25, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:25", "text": "Ary Labana dia nahatratra an\u2019 i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr\u2019 i Gileada. " }, { "verse": 26, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:26", "text": "Ary hoy Labana tamin\u2019 i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin\u2019 ny sabatra? " }, { "verse": 27, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:27", "text": "Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin\u2019 ny fifaliana sy ny hira, amin\u2019 ny ampongatapaka sy ny lokanga, " }, { "verse": 28, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:28", "text": "sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao. " }, { "verse": 29, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:29", "text": "Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy. " }, { "verse": 30, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:30", "text": "Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon\u2019 ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro? " }, { "verse": 31, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:31", "text": "Dia namaly Jakoba ka nanao tamin\u2019 i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy. " }, { "verse": 32, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:32", "text": "Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan\u2019 ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr\u2019 i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy. " }, { "verse": 33, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:33", "text": "Ary Labana niditra tao an-dain\u2019 i Jakoba sy tao an-dain\u2019 i Lea ary tao an-dain\u2019 ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain\u2019 i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely. " }, { "verse": 34, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:34", "text": "Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin\u2019 ny laselin\u2019 ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran\u2019 ny lay rehetra, fa tsy nahita. " }, { "verse": 35, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:35", "text": "Ary hoy Rahely tamin\u2019 ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon\u2019 ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy. " }, { "verse": 36, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:36", "text": "Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin\u2019 i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin\u2019 i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao? " }, { "verse": 37, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:37", "text": "Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan\u2019 ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy, " }, { "verse": 38, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:38", "text": "Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin\u2019 ny ondrinao aho. " }, { "verse": 39, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:39", "text": "Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina. " }, { "verse": 40, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:40", "text": "Nony antoandro matin\u2019 ny hain\u2019 andro aho, ary nony alina dia matin\u2019 ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso. " }, { "verse": 41, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:41", "text": "Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin\u2019 ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman\u2019 osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao. " }, { "verse": 42, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:42", "text": "Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr\u2019 i Abrahama, Ilay natahoran\u2019 Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran\u2019 ny tanako ka nananatra anao halina. " }, { "verse": 43, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:43", "text": "Dia namaly Labana ka nanao tamin\u2019 i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman\u2019 osy ireo dia ondry aman\u2019 osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin\u2019 ireto zanako-vavy, na amin\u2019 ny zanany naterany? " }, { "verse": 44, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:44", "text": "Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany. " }, { "verse": 45, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:45", "text": "Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato. " }, { "verse": 46, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:46", "text": "Ary hoy Jakoba tamin\u2019 ireo havany: Manang\u00f2na vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan\u2019 ny antontam-bato izy rehetra. " }, { "verse": 47, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:47", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny antontam-bato dia nataon\u2019 i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda. " }, { "verse": 48, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:48", "text": "Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda. " }, { "verse": 49, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:49", "text": "Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika. " }, { "verse": 50, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:50", "text": "Raha tah\u00ecny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika. " }, { "verse": 51, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:51", "text": "Ary hoy indray Labana tamin\u2019 i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao; " }, { "verse": 52, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:52", "text": "dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankat\u1ef3 amiko kosa hanisy ratsy. " }, { "verse": 53, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:53", "text": "Ny andriamanitr\u2019 i Abrahama sy ny andriamanitr\u2019 i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain\u2019 izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran\u2019 i Isaka rainy kosa no nianianan\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 54, "chapter": 31, "name": "Genesis 31:54", "text": "Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina, " } ] }, { "chapter": 32, "name": "Genesis 32", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:1", "text": "Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin\u2019 ny fonenany. " }, { "verse": 2, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:2", "text": "Ary Jakoba nizotra tamin\u2019 ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin\u2019 Andriamanitra nitsena azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:3", "text": "Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin\u2019 Andriamanitra ity; ary ny anaran\u2019 izany tany izany nataony hoe Mahanaima. " }, { "verse": 4, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:4", "text": " Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin\u2019 i Esao rahalahiny, ho any Se\u00efra, tanin\u2019 i Edoma. " }, { "verse": 5, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:5", "text": "Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin\u2019 i Esao tompoko: Izao no tenin\u2019 i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin\u2019 i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny; " }, { "verse": 6, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:6", "text": "ary manana omby sy boriky sy ondry aman\u2019 osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao. " }, { "verse": 7, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:7", "text": "Dia niverina tany amin\u2019 i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin\u2019 i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:8", "text": "Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin\u2019 ny ondry aman\u2019 osy sy ny omby ary ny rameva; " }, { "verse": 9, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:9", "text": "fa hoy izy: Raha tafahaona amin\u2019 ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray. " }, { "verse": 10, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:10", "text": "Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr\u2019 i Abrahama raiko, sady Andriamanitr\u2019 Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin\u2019 ny taninao sy any amin\u2019 ny havanao dia hanao soa aminao Aho; " }, { "verse": 11, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:11", "text": "tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin\u2019 ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:12", "text": "O vonjeo aho amin\u2019 ny tanan\u2019 ny rahalahiko, dia amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin\u2019 ny vadiko aman-janako izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:13", "text": "Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. " }, { "verse": 14, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:14", "text": "Dia nitoetra teo izy tamin\u2019 iny alina iny; ary naka tamin\u2019 izay teo an-t\u00e0nany izy mba hampanaterina ho an\u2019 i Esao rahalahiny, " }, { "verse": 15, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:15", "text": "dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo " }, { "verse": 16, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:16", "text": "ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr\u2019 ombivavy efa-polo sy vantotr\u2019 ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo. " }, { "verse": 17, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:17", "text": "Dia natolony teo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin\u2019 ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin\u2019 ny isan-toko. " }, { "verse": 18, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:18", "text": "Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An\u2019 iza ianao? ary hankaiza moa? ary an\u2019 iza ireo alohanao? " }, { "verse": 19, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:19", "text": "dia lazaonao hoe: An\u2019 i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an\u2019 itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao. " }, { "verse": 20, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:20", "text": "Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin\u2019 i Esao, raha hitanareo izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:21", "text": "Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin\u2019 ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho. " }, { "verse": 22, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:22", "text": "Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin\u2019 ny toby ihany tamin\u2019 iny alina iny. " }, { "verse": 23, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:23", "text": "Dia nitsangana tamin\u2019 iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin\u2019 ny folo, dia nita tamin\u2019 ny fit\u00e0na tao Jaboka izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:24", "text": "Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin\u2019 ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:25", "text": "Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin\u2019 ny andro. " }, { "verse": 26, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:26", "text": "Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen\u2019 i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:27", "text": "Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho. " }, { "verse": 28, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:28", "text": "Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba. " }, { "verse": 29, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:29", "text": "Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin\u2019 Andriamanitra sy tamin\u2019 ny olona ianao ka nahery. " }, { "verse": 30, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:30", "text": "Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Mas\u00ecna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:31", "text": "Ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia nataon\u2019 i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an\u2019 Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko. " }, { "verse": 32, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:32", "text": "Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny. " }, { "verse": 33, "chapter": 32, "name": "Genesis 32:33", "text": "Izany no tsy ihinanan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen\u2019 i Jakoba teo amin\u2019 ny ozatry ny atodiakanga Izy. " } ] }, { "chapter": 33, "name": "Genesis 33", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:1", "text": "Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin\u2019 i Lea sy Rahely ary ho amin\u2019 ny ankizivavy roa. " }, { "verse": 2, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:2", "text": "Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana. " }, { "verse": 3, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:3", "text": "Ary Jakoba nandeha teo alohan\u2019 izy rehetra ka niankohoka impito tamin\u2019 ny tany mandra-pahatongany teo akaikin\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 4, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:4", "text": "Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy. " }, { "verse": 5, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:5", "text": "Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen\u2019 Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. " }, { "verse": 6, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:6", "text": "Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka. " }, { "verse": 7, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:7", "text": "Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka. " }, { "verse": 8, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:8", "text": "Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr\u2019 ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason\u2019 itompokolahy. " }, { "verse": 9, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:9", "text": "Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao. " }, { "verse": 10, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:10", "text": "Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an\u2019 izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin\u2019 ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan\u2019 Andriamanitra, ary efa sitrakao aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:11", "text": "Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra. " }, { "verse": 12, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:12", "text": "Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho. " }, { "verse": 13, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:13", "text": "Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr\u2019 itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman\u2019 osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman\u2019 osy rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:14", "text": "Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian\u2019 ny omby aman\u2019 ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian\u2019 ny zaza, mandra-pahatongako any amin\u2019 itompokolahy any Se\u00efra. " }, { "verse": 15, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:15", "text": "Ary hoy Esao: Mas\u00ecna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason\u2019 itompokolahy aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:16", "text": "Dia niverina androtrizay Esao tamin\u2019 ny lalany ho any Se\u00efra. " }, { "verse": 17, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:17", "text": "Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an\u2019 ny omby aman\u2019 ondriny; izany no nanaovana ny anaran\u2019 io tany io hoe Sokota. " }, { "verse": 18, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:18", "text": "Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tan\u00e0na Sekema, izay eo amin\u2019 ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 19, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:19", "text": "Dia novidiny vola zato tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Hamora, rain\u2019 i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy. " }, { "verse": 20, "chapter": 33, "name": "Genesis 33:20", "text": "Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany. " } ] }, { "chapter": 34, "name": "Genesis 34", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:1", "text": " Dia nivoaka Dina, zanakavavin\u2019 i Lea, izay naterany tamin\u2019 i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:2", "text": "Ary nahita azy Sekema, zanakalahin\u2019 i Hamora Hivita, andriana tamin\u2019 izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:3", "text": "Ary ny fony dia raiki-pitia tamin\u2019 i Dina, zanakavavin\u2019 i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:4", "text": "Ary Sekema dia niteny tamin\u2019 i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko. " }, { "verse": 5, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:5", "text": "Ary ren\u2019 i Jakoba fa efa nandoto an\u2019 i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman\u2019 ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany. " }, { "verse": 6, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:6", "text": "Dia nivoaka Hamora, rain\u2019 i Sekema, nankany amin\u2019 i Jakoba hidinika taminy. " }, { "verse": 7, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:7", "text": "Ary ny zanak\u2019 i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin\u2019 ny Isiraely noho ny nandriany tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:8", "text": "Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon\u2019 i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin\u2019 ny zanakareo-vavy; koa mas\u00ecna ianareo, mba omeo azy ho vadiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:9", "text": "Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy, " }, { "verse": 10, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:10", "text": "Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan\u2019 ny tompon-tany ianareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:11", "text": "Ary hoy Sekema tamin\u2019 ny rain\u2019 i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko; " }, { "verse": 12, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:12", "text": "na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko. " }, { "verse": 13, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:13", "text": "Ary ny zanak\u2019 i Jakoba namaly an\u2019 i Sekema sy Hamora rainy tamin\u2019 ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an\u2019 i Dina anabaviny; " }, { "verse": 14, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:14", "text": "ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an\u2019 izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:15", "text": "Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo, " }, { "verse": 16, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:16", "text": "dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika. " }, { "verse": 17, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:17", "text": "Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay. " }, { "verse": 18, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:18", "text": "Dia sitrak\u2019 i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:19", "text": "Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin\u2019 i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin\u2019 izay rehetra tao an-tranon\u2019 ny rainy. " }, { "verse": 20, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:20", "text": "Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0nany, dia niteny tamin\u2019 ny mponina tao an-tan\u00e0nany ka nanao hoe: " }, { "verse": 21, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:21", "text": "Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin\u2019 ny tany izy ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa. " }, { "verse": 22, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:22", "text": "Nefa izao monja ihany no hanaovan\u2019 ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. " }, { "verse": 23, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:23", "text": "Tsy ho antsika va ny omby aman\u2019 ondriny sy ny fananany mbamin\u2019 ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:24", "text": "Ary izay rehetra nivoaka tamin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0nany dia nanaiky ny tenin\u2019 i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 25, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:25", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak\u2019 i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin\u2019 i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tan\u00e0na, dia namono ny lehilahy rehetra tao. " }, { "verse": 26, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:26", "text": "Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin\u2019 ny lelan-tsabatra koa; dia naka an\u2019 i Dina tao an-tranon\u2019 i Sekema izy ka lasa nandeha. " }, { "verse": 27, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:27", "text": "Ary ny zanak\u2019 i Jakoba nankeny amin\u2019 ny faty ka namabo ny tan\u00e0na noho ny nandotoany ny anabaviny. " }, { "verse": 28, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:28", "text": "Ny ondry aman\u2019 osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin\u2019 izay rehetra tao an-tan\u00e0na sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa; " }, { "verse": 29, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:29", "text": "ary ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin\u2019 izay rehetra tao an-trano. " }, { "verse": 30, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:30", "text": "Ary hoy Jakoba tamin\u2019 i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin\u2019 ny mponina amin\u2019 ny tany aho, dia amin\u2019 ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. " }, { "verse": 31, "chapter": 34, "name": "Genesis 34:31", "text": "Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va? " } ] }, { "chapter": 35, "name": "Genesis 35", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:1", "text": " Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Jakoba: Miaing\u00e0, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an\u2019 Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan\u2019 i Esao rahalahinao. " }, { "verse": 2, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:2", "text": "Dia hoy Jakoba tamin\u2019 izay tao an-tranony mbamin\u2019 izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo; " }, { "verse": 3, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:3", "text": "ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an\u2019 Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin\u2019 ny andron\u2019 ny fahoriako ary nomba ahy tamin\u2019 ny lalana izay nalehako. " }, { "verse": 4, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:4", "text": "Dia natolony teo amin\u2019 i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay not\u00e0nany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin\u2019 i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin\u2019 i Sekema ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:5", "text": "Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin\u2019 Andriamanitra nahazo ny tan\u00e0na manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak\u2019 i Jakoba izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:6", "text": "Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin\u2019 ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:7", "text": "Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran\u2019 izany tany izany; fa teo no nisehoan\u2019 Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 8, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:8", "text": "Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr\u2019 i Betela, teo ambanin\u2019 ny hazo \u00f4ka; ary ny anaran\u2019 io dia nataony hoe Alona-bakota. " }, { "verse": 9, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:9", "text": "Ary Andriamanitra niseho indray tamin\u2019 i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:10", "text": "Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany. " }, { "verse": 11, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:11", "text": "Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin\u2019 ny haterakao; " }, { "verse": 12, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:12", "text": "ary ny tany izay nomeko an\u2019 i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. " }, { "verse": 13, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:13", "text": "Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin\u2019 ilay niresahany taminy. " }, { "verse": 14, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:14", "text": "Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin\u2019 ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa. " }, { "verse": 15, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:15", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny tany izay niresahan\u2019 Andriamanitra taminy dia nataon\u2019 i Jakoba hoe Betela. " }, { "verse": 16, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:16", "text": " Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny. " }, { "verse": 17, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:17", "text": "Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao. " }, { "verse": 18, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:18", "text": "Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. " }, { "verse": 19, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:19", "text": "Dia maty Rahely ka nalevina teo amin\u2019 ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). " }, { "verse": 20, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:20", "text": "Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin\u2019 ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin\u2019 ny fasan-dRahely mandraka androany. " }, { "verse": 21, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:21", "text": "Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr\u2019 i Migdaledera. " }, { "verse": 22, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:22", "text": "Ary raha nonina teo amin\u2019 izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin\u2019 i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely. " }, { "verse": 23, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:23", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jakoba dia roa ambin\u2019 ny folo mirahalahy: ny zanak\u2019 i Lea dia Robena, lahimatoan\u2019 i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona; " }, { "verse": 24, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:24", "text": "ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina; " }, { "verse": 25, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:25", "text": "ary ny zanak\u2019 i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly; " }, { "verse": 26, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:26", "text": "ary ny zanak\u2019 i Zilpa, ankizivavin\u2019 i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin\u2019 i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia. " }, { "verse": 27, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:27", "text": "Ary Jakoba nankany amin\u2019 Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian\u2019 i Abrahama sy Isaka. " }, { "verse": 28, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:28", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 Isaka dia valo-polo amby zato taona. " }, { "verse": 29, "chapter": 35, "name": "Genesis 35:29", "text": "Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin\u2019 ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy. " } ] }, { "chapter": 36, "name": "Genesis 36", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:1", "text": " Ary izao no taranak\u2019 i Esao (Edoma izany): " }, { "verse": 2, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:2", "text": "Esao naka vady tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Kananita, dia Ada, zanak\u2019 i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak\u2019 i Ana, zanakavavin\u2019 i Zibona Hivita, " }, { "verse": 3, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:3", "text": "ary Basemata, zanakavavin\u2019 Isimaela sady anabavin\u2019 i Nebaiota. " }, { "verse": 4, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:4", "text": "Ary Ada niteraka an\u2019 i Elifaza tamin\u2019 i Esao; ary Basemata niteraka an\u2019 i Regoela; " }, { "verse": 5, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:5", "text": "ary Oholibama niteraka an\u2019 i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak\u2019 i Esao, izay naterany tany amin\u2019 ny tany Kanana. " }, { "verse": 6, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:6", "text": "Dia nentin\u2019 i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman\u2019 ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin\u2019 ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin\u2019 ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin\u2019 izay tany hialana eo anatrehan\u2019 i Jakoba rahalahiny. " }, { "verse": 7, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:7", "text": "Fa samy be loatra ny haren\u2019 izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny. " }, { "verse": 8, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:8", "text": "Koa nonina tany an-tendrombohitra Se\u00efra Esao. (Edoma izany). " }, { "verse": 9, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:9", "text": "Ary izao no taranak\u2019 i Esao, rain\u2019 ny Edomita any an-tendrombohitra Se\u00efra: " }, { "verse": 10, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:10", "text": "Ny anaran\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Esao dia izao: Elifaza, zanak\u2019 i Ada, vadin\u2019 i Esao, sy Regoela, zanak\u2019 i Basemata, vadin\u2019 i Esao. " }, { "verse": 11, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:11", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza. " }, { "verse": 12, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:12", "text": "Ary Timna no vaditsindranon\u2019 i Elifaza, zanakalahin\u2019 i Esao; ary niteraka an\u2019 i Amaleka tamin\u2019 i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin\u2019 i Ada, vadin\u2019 i Esao. " }, { "verse": 13, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:13", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin\u2019 i Basemata, vadin\u2019 i Esao. " }, { "verse": 14, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:14", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Oholibama, zanakavavin\u2019 i Ana, zanakavavin\u2019 i Zibona, vadin\u2019 i Esao: niteraka an\u2019 i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin\u2019 i Esao izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:15", "text": "Izao no loham-pirenena tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Esao: ny zanakalahin\u2019 i Elifaza, lahimatoan\u2019 i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny " }, { "verse": 16, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:16", "text": "sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin\u2019 i Elifaza tany amin\u2019 ny tany Edoma; ireo no zanak\u2019 i Ada. " }, { "verse": 17, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:17", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Regoela, zanak\u2019 i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin\u2019 i Regoela tany amin\u2019 ny tany Edoma; ireo no zanak\u2019 i Basemata, vadin\u2019 i Esao. " }, { "verse": 18, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:18", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Oholibama, vadin\u2019 i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin\u2019 i Oholibama, zanakavavin\u2019 i Ana, vadin\u2019 i Esao. " }, { "verse": 19, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:19", "text": "Ireo no zanak\u2019 i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny. " }, { "verse": 20, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:20", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Se\u00efra Horita, izay nonina tany amin\u2019 ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana " }, { "verse": 21, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:21", "text": "sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin\u2019 ny Horita, dia ny taranak\u2019 i Se\u00efra, tany amin\u2019 ny tany Edoma. " }, { "verse": 22, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:22", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin\u2019 i Lotana. " }, { "verse": 23, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:23", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama. " }, { "verse": 24, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:24", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin\u2019 i Zibona rainy izy). " }, { "verse": 25, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:25", "text": "Ary izao no zanak\u2019 i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin\u2019 i Ana. " }, { "verse": 26, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:26", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana. " }, { "verse": 27, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:27", "text": "Ary izao no zanak\u2019 i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana. " }, { "verse": 28, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:28", "text": "Ary izao no zanak\u2019 i Disana: Oza sy Arana. " }, { "verse": 29, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:29", "text": "Ary izao no loham-pirenena tamin\u2019 ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny " }, { "verse": 30, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:30", "text": "sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin\u2019 ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin\u2019 ny tany Se\u00efra. " }, { "verse": 31, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:31", "text": "Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin\u2019 ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: " }, { "verse": 32, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:32", "text": "Nanjaka tany Edoma Bela, zanak\u2019 i Beora; ary Dinaba no anaran\u2019 ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 33, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:33", "text": "Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak\u2019 i Zera avy tany Bozra. " }, { "verse": 34, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:34", "text": "Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin\u2019 ny tanin\u2019 ny Temanita. " }, { "verse": 35, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:35", "text": "Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak\u2019 i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin\u2019 ny tany Moaba; ary Avita no anaran\u2019 ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 36, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:36", "text": "Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka. " }, { "verse": 37, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:37", "text": "Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron\u2019 ny Ony. " }, { "verse": 38, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:38", "text": "Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak\u2019 i Akbora. " }, { "verse": 39, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:39", "text": "Ary maty Bala-hanana, zanak\u2019 i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran\u2019 ny tan\u00e0nany; ary ny anaran\u2019 ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin\u2019 i Matreda, zanakavavin\u2019 i Me-zahaba. " }, { "verse": 40, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:40", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ny loham-pirenena tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny " }, { "verse": 41, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:41", "text": "sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny " }, { "verse": 42, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:42", "text": "sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny " }, { "verse": 43, "chapter": 36, "name": "Genesis 36:43", "text": "sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin\u2019 ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin\u2019 ny taniny avy. Izany no Esao, rain\u2019 ny Edomita. " } ] }, { "chapter": 37, "name": "Genesis 37", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:1", "text": " Ary Jakoba nonina tany amin\u2019 ny tany fivahinian\u2019 ny rainy, dia tany amin\u2019 ny tany Kanana. " }, { "verse": 2, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:2", "text": "Ary izao no tantaran\u2019 i Jakoba: Rehefa fito ambin\u2019 ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin\u2019 ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Bila sy ny zanak\u2019 i Zilpa, vadin\u2019 i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy. " }, { "verse": 3, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:3", "text": "Ary tian\u2019 Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava. " }, { "verse": 4, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:4", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny rahalahiny fa Josefa no tian\u2019 ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy. " }, { "verse": 5, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:5", "text": "Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin\u2019 ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:6", "text": "Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao: " }, { "verse": 7, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:7", "text": "Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan\u2019 ny amboarako. " }, { "verse": 8, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:8", "text": "Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:9", "text": "Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin\u2019 ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin\u2019 ny folo niankohoka teo anatrehako. " }, { "verse": 10, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:10", "text": "Ary nambarany tamin\u2019 ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin\u2019 ny tany eo anatrehanao? " }, { "verse": 11, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:11", "text": "Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:12", "text": "Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin\u2019 ny rainy tany Sekema. " }, { "verse": 13, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:13", "text": "Ary hoy Isiraely tamin\u2019 i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:14", "text": "Ary hoy ny rainy taminy: Mas\u00ecna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman\u2019 osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin\u2019 ny lohasahan\u2019 i Hebrona izy, dia nankany Sekema. " }, { "verse": 15, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:15", "text": "Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao? " }, { "verse": 16, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:16", "text": "Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa mas\u00ecna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry. " }, { "verse": 17, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:17", "text": "Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana. " }, { "verse": 18, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:18", "text": "Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:19", "text": "Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy. " }, { "verse": 20, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:20", "text": "Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin\u2019 ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin\u2019 izany na hanao ahoana ny nofiny. " }, { "verse": 21, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:21", "text": "Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin\u2019 ny t\u00e0nany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika. " }, { "verse": 22, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:22", "text": "Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-dr\u00e0 ianareo; atsipazo ao anatin\u2019 io lavaka et\u1ef3 an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin\u2019 ny tanan\u2019 ny rahalahiny hitondrany azy any amin\u2019 ny rainy indray. " }, { "verse": 23, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:23", "text": "Ary rehefa tonga teo amin\u2019 ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy; " }, { "verse": 24, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:24", "text": "dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin\u2019 izay, fa tsy nisy rano tao. " }, { "verse": 25, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:25", "text": "Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta. " }, { "verse": 26, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:26", "text": "Ary hoy Joda tamin\u2019 ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny r\u00e0ny isika? " }, { "verse": 27, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:27", "text": "Andeha hamidintsika amin\u2019 ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny. " }, { "verse": 28, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:28", "text": "Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin\u2019 ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin\u2019 ny Isimaelita; ary dia nitondra an\u2019 i Josefa ho any Egypta ireo. " }, { "verse": 29, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:29", "text": "Dia niverina nankeo amin\u2019 ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:30", "text": "Dia niverina nankeo amin\u2019 ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako? " }, { "verse": 31, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:31", "text": "Ary nalain\u2019 ireo rahalahiny ilay akanjon\u2019 i Josefa, dia namono zanak\u2019 osy izy, ka natsobony tamin\u2019 ny r\u00e0 ny akanjo. " }, { "verse": 32, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:32", "text": "Dia nampanateriny ho any amin\u2019 ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon\u2019 ny zanakao ity, na tsia? " }, { "verse": 33, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:33", "text": "Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon\u2019 ny zanako io: efa lanin\u2019 ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa. " }, { "verse": 34, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:34", "text": "Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin\u2019 ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro. " }, { "verse": 35, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:35", "text": "Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin\u2019 ny zanako any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. " }, { "verse": 36, "chapter": 37, "name": "Genesis 37:36", "text": "Ary ny Midianita nivarotra an\u2019 i Josefa tany Egypta tamin\u2019 i Potifara, tandapan\u2019 i Farao sady mpifehy ny mpiambina. " } ] }, { "chapter": 38, "name": "Genesis 38", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:1", "text": " Ary tamin\u2019 izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin\u2019 ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany. " }, { "verse": 2, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:2", "text": "Ary teo no nahitan\u2019 i Joda ny zanakavavin\u2019 i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:3", "text": "Dia nanan\u2019 anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era. " }, { "verse": 4, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:4", "text": "Dia nanan\u2019 anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana. " }, { "verse": 5, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:5", "text": "Dia nanan\u2019 anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin\u2019 ny niterahan\u2019 ny vadiny an\u2019 i Sela. " }, { "verse": 6, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:6", "text": "Ary Joda naka vady ho an\u2019 i Era lahimatoany, Tamara no anarany. " }, { "verse": 7, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:7", "text": "Fa ratsy fanahy teo imason\u2019 i Jehovah Era, lahimatoan\u2019 i Joda; dia novonoin\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:8", "text": "Ary hoy Joda tamin\u2019 i Onana: Vadio ny vadin\u2019 ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao. " }, { "verse": 9, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:9", "text": "Ary fantatr\u2019 i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin\u2019 ny vadin\u2019 ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin\u2019 ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:10", "text": "Ary ratsy teo imason\u2019 i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:11", "text": "Ary hoy Joda tamin\u2019 i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben\u2019 i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy. " }, { "verse": 12, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:12", "text": "Ary rehefa ela, dia maty ny vadin\u2019 i Joda, dia ilay zanakavavin\u2019 i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon\u2019 i Joda, dia niakatra tany amin\u2019 ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany. " }, { "verse": 13, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:13", "text": "Dia nisy nanambara tamin\u2019 i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny. " }, { "verse": 14, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:14", "text": "Ary nanaisotra ny akanjony fanaon\u2019 ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin\u2019 i Enaima, izay eo amin\u2019 ny lalana mankany Timna; satria efa hitan\u2019 i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen\u2019 i Joda ho vadin\u2019 i Sela izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:15", "text": "Ary hitan\u2019 i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:16", "text": "Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao? " }, { "verse": 17, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:17", "text": "Dia hoy izy: Hampanatitra zanak\u2019 osy avy amin\u2019 ny ondry aman\u2019 osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy? " }, { "verse": 18, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:18", "text": "Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan\u2019 anaka taminy ravehivavy. " }, { "verse": 19, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:19", "text": "Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon\u2019 ny mpitondratena indray. " }, { "verse": 20, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:20", "text": "Dia nampitondrain\u2019 i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak\u2019 osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:21", "text": "Dia nanontany ny olona teo amin\u2019 ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. " }, { "verse": 22, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:22", "text": "Dia niverina tany amin\u2019 i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain\u2019 ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo. " }, { "verse": 23, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:23", "text": "Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak\u2019 osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy. " }, { "verse": 24, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:24", "text": "Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin\u2019 i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan\u2019 anaka tamin\u2019 ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana. " }, { "verse": 25, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:25", "text": "Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin\u2019 ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon\u2019 ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Mas\u00ecna ianao, fantaro izay tompon\u2019 ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto. " }, { "verse": 26, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:26", "text": "Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin\u2019 i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:27", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony. " }, { "verse": 28, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:28", "text": "Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan\u2019 ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin\u2019 ny t\u00e0nany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany. " }, { "verse": 29, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:29", "text": "Ary rehefa nahemony ny t\u00e0nany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany. " }, { "verse": 30, "chapter": 38, "name": "Genesis 38:30", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin\u2019 ny t\u00e0nany; dia nataony hoe Zera no anarany. " } ] }, { "chapter": 39, "name": "Genesis 39", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:1", "text": " Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan\u2019 i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin\u2019 ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:2", "text": "Ary Jehovah nomba an\u2019 i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon\u2019 ilay Egyptiana tompony izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:3", "text": "Ary hitan\u2019 ny tompony fa nomban\u2019 i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin\u2019 i Jehovah avokoa teo aminy. " }, { "verse": 4, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:4", "text": "Ary Josefa nahita fitia teo imason\u2019 ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. " }, { "verse": 5, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:5", "text": "Ary hatramin\u2019 izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin\u2019 izay rehetra nananany dia notahin\u2019 i Jehovah ny tranon\u2019 ilay Egyptiana noho ny amin\u2019 i Josefa; ary ny fitahian\u2019 i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. " }, { "verse": 6, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:6", "text": "Dia navelany ho andraikitr\u2019 i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bik\u00e0na sady tsara tarehy. " }, { "verse": 7, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:7", "text": "Ary taorian\u2019 izany ny vadin\u2019 ny tompony nanopy ny masony hijery an\u2019 i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. " }, { "verse": 8, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:8", "text": "Dia nand\u00e0 izy ka nanao tamin\u2019 ny vadin\u2019 ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. " }, { "verse": 9, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:9", "text": "Tsy misy lehibe noho izaho raha amin\u2019 ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin\u2019 Andriamanitra? " }, { "verse": 10, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:10", "text": "Ary na dia niteny tamin\u2019 i Josefa isan\u2019 andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. " }, { "verse": 11, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:11", "text": "Ary tamin\u2019 ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin\u2019 izay. " }, { "verse": 12, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:12", "text": "Dia nisambotra azy tamin\u2019 ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan\u2019 i Josefa teo an-t\u00e0nany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. " }, { "verse": 13, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:13", "text": "Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-t\u00e0nany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, " }, { "verse": 14, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:14", "text": "dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin\u2019 ny feo mahery aho; " }, { "verse": 15, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:15", "text": "ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. " }, { "verse": 16, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:16", "text": "Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon\u2019 i Josefa, mandra-pahatongan\u2019 ny tompony tao an-trano. " }, { "verse": 17, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:17", "text": "Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; " }, { "verse": 18, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:18", "text": "ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:19", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny tompony ny tenin\u2019 ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon\u2019 ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. " }, { "verse": 20, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:20", "text": "Ary ny tompon\u2019 i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran\u2019 ny mpifatotra diso tamin\u2019 ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:21", "text": "Nefa Jehovah nomba an\u2019 i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason\u2019 ny mpitandrina ny trano-maizina. " }, { "verse": 22, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:22", "text": "Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr\u2019 i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. " }, { "verse": 23, "chapter": 39, "name": "Genesis 39:23", "text": "Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-t\u00e0nany, satria Jehovah nomba an\u2019 i Josefa, ary izay nataony dia nambinin\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 40, "name": "Genesis 40", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:1", "text": " Ary taorian\u2019 izany ny mpitondra kapoakan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta tompony. " }, { "verse": 2, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:2", "text": "Ary tezitra indrindra tamin\u2019 ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben\u2019 ny mpanao mofo. " }, { "verse": 3, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:3", "text": "Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon\u2019 ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin\u2019 ny trano-maizina izay nifatoran\u2019 i Josefa. " }, { "verse": 4, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:4", "text": "Ary Josefa notendren\u2019 ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin\u2019 izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin\u2019 ny trano-maizina izy roa lahy. " }, { "verse": 5, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:5", "text": "Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta, izay nifatotra tao amin\u2019 ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy. " }, { "verse": 6, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:6", "text": "Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:7", "text": "Dia nanontanian\u2019 i Josefa ny tandapan\u2019 i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon\u2019 ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny? " }, { "verse": 8, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:8", "text": "Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin\u2019 Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Mas\u00ecna ianareo, lazao amiko izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:9", "text": "Dia nambaran\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpitondra kapoaka tamin\u2019 i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako; " }, { "verse": 10, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:10", "text": "ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka. " }, { "verse": 11, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:11", "text": "Ary teny an-tanako ny kapoakan\u2019 i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin\u2019 ny kapoakan\u2019 i Farao, dia natolotro teo an-t\u00e0nan\u2019 i Farao ny Kapoaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:12", "text": "Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana. " }, { "verse": 13, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:13", "text": "Ato anatin\u2019 ny hateloana dia hasandratr\u2019 i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin\u2019 ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan\u2019 i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany. " }, { "verse": 14, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:14", "text": "Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin\u2019 i Farao aho, ka avoahy amin\u2019 ity trano ity; " }, { "verse": 15, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:15", "text": "fa nangalarina mihitsy avy tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Hebreo aho, ary at\u1ef3 koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin\u2019 ity lavaka ity aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:16", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin\u2019 i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho; " }, { "verse": 17, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:17", "text": "ary teo anatin\u2019 ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan\u2019 i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon\u2019 ny mpanao mofo; ary nohanin\u2019 ny vorona teo anatin\u2019 ny karaba izay nololohaviko izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:18", "text": "Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana. " }, { "verse": 19, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:19", "text": "Ato anatin\u2019 ny hateloana dia hasandratr\u2019 i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin\u2019 ny hazo ianao) dia hohanin\u2019 ny vorona ny nofonao. " }, { "verse": 20, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:20", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahatelo, izay niherenan\u2019 ny taona nahaterahan\u2019 i Farao, dia nanao fanasana ho an\u2019 ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpitondra kapoaka sy ny lohan\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpanao mofo teo amin\u2019 ny mpanompony. " }, { "verse": 21, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:21", "text": "Ary ny lehiben\u2019 ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin\u2019 ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Farao izy; " }, { "verse": 22, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:22", "text": "fa ny lehiben\u2019 ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain\u2019 i Josefa tamin\u2019 izy roa lahy avy. " }, { "verse": 23, "chapter": 40, "name": "Genesis 40:23", "text": "Kanjo tsy mba nahatsiaro an\u2019 i Josefa ilay lehiben\u2019 ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy. " } ] }, { "chapter": 41, "name": "Genesis 41", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:1", "text": " Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron\u2019 i Neily izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:2", "text": "Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin\u2019 ny bararata. " }, { "verse": 3, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:3", "text": "Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan\u2019 ireo ombivavy teo amoron\u2019 i Neily. " }, { "verse": 4, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:4", "text": "Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao. " }, { "verse": 5, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:5", "text": "Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin\u2019 ny tahony iray, sady vokatra no tsara. " }, { "verse": 6, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:6", "text": "Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main\u2019 ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny. " }, { "verse": 7, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:7", "text": "Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:8", "text": "Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran\u2019 i Farao tamin\u2019 ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin\u2019 i Farao. " }, { "verse": 9, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:9", "text": "Dia niteny tamin\u2019 i Farao ilay lehiben\u2019 ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako: " }, { "verse": 10, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:10", "text": "Farao dia tezitra tamin\u2019 ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin\u2019 ny tranon\u2019 ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben\u2019 ny mpanao mofo. " }, { "verse": 11, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:11", "text": "Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay. " }, { "verse": 12, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:12", "text": "Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon\u2019 ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. " }, { "verse": 13, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:13", "text": "Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin\u2019 ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony. " }, { "verse": 14, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:14", "text": "Dia naniraka Farao ka nampaka an\u2019 i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin\u2019 i Farao. " }, { "verse": 15, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:15", "text": "Ary hoy Farao tamin\u2019 i Josefa: Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. " }, { "verse": 16, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:16", "text": "Ary Josefa dia namaly an\u2019 i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan\u2019 i Farao. " }, { "verse": 17, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:17", "text": "Ary hoy Farao tamin\u2019 i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron\u2019 i Neily aho; " }, { "verse": 18, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:18", "text": "koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin\u2019 ny bararata ireny. " }, { "verse": 19, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:19", "text": "Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin\u2019 ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:20", "text": "Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:21", "text": "Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin\u2019 ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho. " }, { "verse": 22, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:22", "text": "Ary hitako tamin\u2019 ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin\u2019 ny tahony iray, sady vokatra no tsara; " }, { "verse": 23, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:23", "text": "ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main\u2019 ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny; " }, { "verse": 24, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:24", "text": "ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin\u2019 ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko. " }, { "verse": 25, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:25", "text": "Ary hoy Josefa tamin\u2019 i Farao: Ny nofin\u2019 i Farao dia iray ihany; izay efa hataon\u2019 Andriamanitra no nambarany tamin\u2019 i Farao. " }, { "verse": 26, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:26", "text": "Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy. " }, { "verse": 27, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:27", "text": "Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main\u2019 ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena. " }, { "verse": 28, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:28", "text": "Izany dia ilay efa nolazaiko tamin\u2019 i Farao teo hoe: Izay efa hataon\u2019 Andriamanitra no asehony amin\u2019 i Farao. " }, { "verse": 29, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:29", "text": "Indro, hisy fito taona zina indrindra eran\u2019 ny tany Egypta rehetra; " }, { "verse": 30, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:30", "text": "ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin\u2019 ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany; " }, { "verse": 31, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:31", "text": "ary ny fahavokarana eo amin\u2019 ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany. " }, { "verse": 32, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:32", "text": "Ary naverina indroa ny nofin\u2019 i Farao, satria efa voatendrin\u2019 Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin\u2019 Andriamanitra faingana. " }, { "verse": 33, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:33", "text": "Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta. " }, { "verse": 34, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:34", "text": "Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin\u2019 ny vokatry ny tany Egypta amin\u2019 ny taon-jina fito. " }, { "verse": 35, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:35", "text": "Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin\u2019 ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin\u2019 ny anaran\u2019 i Farao ho fihinana any amin\u2019 ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy " }, { "verse": 36, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:36", "text": "Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin\u2019 ny tany ho amin\u2019 ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin\u2019 ny tany Egypta, mba tsy ho simban\u2019 ny mosary ny tany. " }, { "verse": 37, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:37", "text": "Ary sitrak\u2019 i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany. " }, { "verse": 38, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:38", "text": "Dia hoy Farao tamin\u2019 ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin\u2019 Andriamanitra ao anatiny, va isika? " }, { "verse": 39, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:39", "text": "Ary hoy koa Farao tamin\u2019 i Josefa: Satria efa nampahafantarin\u2019 Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao; " }, { "verse": 40, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:40", "text": "koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao. " }, { "verse": 41, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:41", "text": "Ary hoy indray Farao tamin\u2019 i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. " }, { "verse": 42, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:42", "text": "Dia nesorin\u2019 i Farao ny peratra tamin\u2019 ny tanany ka nataony tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; " }, { "verse": 43, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:43", "text": "dia nampitaingeniny teo anatin\u2019 ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy. " }, { "verse": 44, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:44", "text": "Ary hoy Farao tamin\u2019 i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny t\u00e0nany na ny tongony eto amin\u2019 ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 45, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:45", "text": "Ary nataon\u2019 i Farao hoe Zafenata-panea no anaran\u2019 i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin\u2019 i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta. " }, { "verse": 46, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:46", "text": "Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta. Dia niala teo anatrehan\u2019 i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 47, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:47", "text": "Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby f\u00e0mpana tamin\u2019 ny taon-jina fito. " }, { "verse": 48, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:48", "text": "Dia namory ny hanina rehetra tamin\u2019 izany fito taona izany teo amin\u2019 ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin\u2019 ny tan\u00e0na rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tan\u00e0na dia notehiriziny tao anatin\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 49, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:49", "text": "Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa. " }, { "verse": 50, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:50", "text": "Ary nisy zazalahy roa naterak\u2019 i Asenata, zanakavavin\u2019 i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin\u2019 i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena. " }, { "verse": 51, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:51", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny lahimatoa dia nataon\u2019 i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon\u2019 ny raiko. " }, { "verse": 52, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:52", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahoriako. " }, { "verse": 53, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:53", "text": "Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin\u2019 ny tany Egypta; " }, { "verse": 54, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:54", "text": "dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain\u2019 i Josefa; ary nisy mosary tany amin\u2019 ny tany rehetra; nefa eran\u2019 ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany. " }, { "verse": 55, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:55", "text": "Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin\u2019 i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin\u2019 ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin\u2019 i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy. " }, { "verse": 56, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:56", "text": "Ary ny mosary dia tany amin\u2019 ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin\u2019 ny Egyptiana. " }, { "verse": 57, "chapter": 41, "name": "Genesis 41:57", "text": "Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin\u2019 i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin\u2019 ny tany rehetra. " } ] }, { "chapter": 42, "name": "Genesis 42", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:1", "text": " Ary fantatr\u2019 i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin\u2019 ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo? " }, { "verse": 2, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:2", "text": "Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha mid\u00ecna any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty. " }, { "verse": 3, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:3", "text": "Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin\u2019 i Josefa mba hividy vary tany Egypta. " }, { "verse": 4, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:4", "text": "Fa Benjamina, rahalahin\u2019 i Josefa, tsy mba nampandehanin\u2019 i Jakoba niaraka tamin\u2019 ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:5", "text": "Dia tonga ny zanak\u2019 Isiraely mba hividy vary niaraka tamin\u2019 izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. " }, { "verse": 6, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:6", "text": "Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin\u2019 ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin\u2019 i Josefa ka niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehany. " }, { "verse": 7, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:7", "text": "Ary hitan\u2019 i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin\u2019 ny tany Kanana izahay mba hividy hanina. " }, { "verse": 8, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:8", "text": "Ary fantatr\u2019 i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:9", "text": "Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin\u2019 ny tany no nahatongavanareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:10", "text": "Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. " }, { "verse": 11, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:11", "text": "Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao. " }, { "verse": 12, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:12", "text": "Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin\u2019 ny tany no nahatongavanareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:13", "text": "Fa hoy izy; Roa ambin\u2019 ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin\u2019 ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin\u2019 ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony. " }, { "verse": 14, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:14", "text": "Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina; " }, { "verse": 15, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:15", "text": "dia izao \u00e0ry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala at\u1ef3 ianareo, raha tsy tonga at\u1ef3 izany zandrinareo faralahy izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:16", "text": "Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:17", "text": "Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra. " }, { "verse": 18, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:18", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an\u2019 Andriamanitra: " }, { "verse": 19, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:19", "text": "Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin\u2019 ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin\u2019 ny tranonareo; " }, { "verse": 20, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:20", "text": "ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:21", "text": "Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin\u2019 ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian\u2019 ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan\u2019 izao fahoriana izao amintsika. " }, { "verse": 22, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:22", "text": "Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin\u2019 ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny r\u00e0ny izao. " }, { "verse": 23, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:23", "text": "Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy. " }, { "verse": 24, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:24", "text": "Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an\u2019 i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony. " }, { "verse": 25, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:25", "text": "Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan\u2019 ny isan-dahy ho ao anatin\u2019 ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:26", "text": "Ary natainginy tamin\u2019 ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:27", "text": "Ary raha nosokafan\u2019 ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin\u2019 izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan\u2019 ny lasakany izany. " }, { "verse": 28, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:28", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin\u2019 ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon\u2019 Andriamanitra amintsika izao? " }, { "verse": 29, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:29", "text": "Ary tonga tany amin\u2019 i Jakoba rainy, tany amin\u2019 ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy: " }, { "verse": 30, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:30", "text": "Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon\u2019 ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay. " }, { "verse": 31, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:31", "text": "Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory; " }, { "verse": 32, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:32", "text": "roa ambin\u2019 ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin\u2019 ny rainay any amin\u2019 ny tany Kanana ankehitriny. " }, { "verse": 33, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:33", "text": "Dia hoy ralehilahy, tompon\u2019 ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao at\u1ef3 amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin\u2019 ny tranonareo, dia mandehana; " }, { "verse": 34, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:34", "text": "ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin\u2019 ny tany ianareo. " }, { "verse": 35, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:35", "text": "Ary raha nandraraka izay tao anatin\u2019 ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin\u2019 ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra. " }, { "verse": 36, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:36", "text": "Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin\u2019 izany rehetra izany, " }, { "verse": 37, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:37", "text": "Ary Robena niteny tamin\u2019 ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina at\u1ef3 aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho at\u1ef3 aminao indray. " }, { "verse": 38, "chapter": 42, "name": "Genesis 42:38", "text": "Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin\u2019 ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita amin\u2019 alahelo ny volo fotsiko. " } ] }, { "chapter": 43, "name": "Genesis 43", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:1", "text": " Ary mafy ny mosary teo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:2", "text": "Ary rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. " }, { "verse": 3, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:3", "text": "Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:4", "text": "Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao; " }, { "verse": 5, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:5", "text": "fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:6", "text": "Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo? " }, { "verse": 7, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:7", "text": "Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin\u2019 ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento mid\u00ecna ny rahalahinareo? " }, { "verse": 8, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:8", "text": "Ary hoy Joda tamin\u2019 Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa. " }, { "verse": 9, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:9", "text": "Izaho no hiantoka azy; amin\u2019 ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko at\u1ef3 aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin\u2019 ny andro rehetra hiainako aho; " }, { "verse": 10, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:10", "text": "fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay. " }, { "verse": 11, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:11", "text": "Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin\u2019 ny tany ka ataovy ao anatin\u2019 ny fitondran-entanareo, dia ento mid\u00ecna haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala; " }, { "verse": 12, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:12", "text": "ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan\u2019 ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:13", "text": "Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy; " }, { "verse": 14, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:14", "text": "ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany. " }, { "verse": 15, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:15", "text": "Dia nentin\u2019 ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-t\u00e0nany mbamin\u2019 i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan\u2019 i Josefa. " }, { "verse": 16, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:16", "text": "Ary Josefa, raha nahita an\u2019 i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin\u2019 ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. " }, { "verse": 17, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:17", "text": "Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian\u2019 i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon\u2019 i Josefa ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:18", "text": "Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon\u2019 i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin\u2019 ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika. " }, { "verse": 19, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:19", "text": "Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon\u2019 i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran\u2019 ny trano nanao hoe: " }, { "verse": 20, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:20", "text": "Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny: " }, { "verse": 21, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:21", "text": "ary rehefa tonga teo amin\u2019 izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan\u2019 ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:22", "text": "Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin\u2019 ny lasakanay. " }, { "verse": 23, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:23", "text": "Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin\u2019 ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tat\u1ef3 amiko ihany. Dia namoaka an\u2019 i Simeona ho eo aminy izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:24", "text": "Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon\u2019 i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa. " }, { "verse": 25, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:25", "text": "Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin\u2019 i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina. " }, { "verse": 26, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:26", "text": "Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin\u2019 izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehany izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:27", "text": "Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? " }, { "verse": 28, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:28", "text": "Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. " }, { "verse": 29, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:29", "text": "Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an\u2019 i Benjamina rahalahiny, zanakalahin\u2019 ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka " }, { "verse": 30, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:30", "text": "Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. " }, { "verse": 31, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:31", "text": "Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro. " }, { "verse": 32, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:32", "text": "Dia narosony mitokana ny ho an\u2019 i Josefa, ary mitokana ny ho an\u2019 ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an\u2019 ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin\u2019 ny Hebreo, fa fahavetavetana amin\u2019 ny Egyptiana izany. " }, { "verse": 33, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:33", "text": "Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 43, "name": "Genesis 43:34", "text": "Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan\u2019 i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin\u2019 i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin\u2019 izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy. " } ] }, { "chapter": 44, "name": "Genesis 44", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:1", "text": " Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan\u2019 ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan\u2019 ny lasakany avy ny volan\u2019 ny isan-dahy; " }, { "verse": 2, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:2", "text": "ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan\u2019 ny lasakan\u2019 ilay faralahy mbamin\u2019 ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain\u2019 i Josefa. " }, { "verse": 3, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:3", "text": "Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny. " }, { "verse": 4, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:4", "text": "Ary rehefa tafavoaka ny tan\u00e0na izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin\u2019 ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa? " }, { "verse": 5, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:5", "text": "Tsy iny va no fisotroan\u2019 ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao. " }, { "verse": 6, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:6", "text": "Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy. " }, { "verse": 7, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:7", "text": "Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin\u2019 ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:8", "text": "Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan\u2019 ny lasakanay aza naverinay indray tat\u1ef3 aminao avy tany amin\u2019 ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin\u2019 ny tranon\u2019 ny tomponao? " }, { "verse": 9, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:9", "text": "Izay anankiray amin\u2019 ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon\u2019 itompokolahy. " }, { "verse": 10, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:10", "text": "Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:11", "text": "Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin\u2019 ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy. " }, { "verse": 12, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:12", "text": "Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin\u2019 ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin\u2019 ny faralahy no niafarany, ka tao amin\u2019 ny lasakan\u2019 i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. " }, { "verse": 13, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:13", "text": "Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin\u2019 ny borikiny avy ka niverina ho any an-tan\u00e0na. " }, { "verse": 14, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:14", "text": "Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon\u2019 i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin\u2019 ny tany teo anatrehany. " }, { "verse": 15, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:15", "text": "Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? " }, { "verse": 16, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:16", "text": "Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin\u2019 itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon\u2019 itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:17", "text": "Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin\u2019 ny rainareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:18", "text": "Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan\u2019 itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin\u2019 ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an\u2019 i Farao ianao. " }, { "verse": 19, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:19", "text": "Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va ianareo? " }, { "verse": 20, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:20", "text": "Ary hoy izahay tamin\u2019 itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian\u2019 ny rainy izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:21", "text": "Ary ianao nanao tamin\u2019 ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan\u2019 ny masoko. " }, { "verse": 22, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:22", "text": "Ary hoy izahay tamin\u2019 itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy. " }, { "verse": 23, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:23", "text": "Ary hoy ianao tamin\u2019 ny mpanomponao: Raha tsy hiara-mid\u00ecna aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:24", "text": "Ary rehefa tafakatra tany amin\u2019 ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin\u2019 itompokolahy. " }, { "verse": 25, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:25", "text": "Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. " }, { "verse": 26, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:26", "text": "Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy. " }, { "verse": 27, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:27", "text": "Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko; " }, { "verse": 28, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:28", "text": "fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy; " }, { "verse": 29, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:29", "text": "ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. " }, { "verse": 30, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:30", "text": "Koa ankehitriny, raha tonga any amin\u2019 ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin\u2019 ny ain\u2019 ny zaza), " }, { "verse": 31, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:31", "text": "koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin\u2019 ny mpanomponao rainay ho any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita amin\u2019 alahelo. " }, { "verse": 32, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:32", "text": "Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin\u2019 ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko at\u1ef3 aminao izy, dia ho meloka amin\u2019 ny raiko amin\u2019 ny andro rehetra hiainako aho. " }, { "verse": 33, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:33", "text": "Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon\u2019 itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 34, "chapter": 44, "name": "Genesis 44:34", "text": "Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin\u2019 ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho. " } ] }, { "chapter": 45, "name": "Genesis 45", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:1", "text": "Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan\u2019 izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin\u2019 i Josefa, raha nanao izay hahafantaran\u2019 ny rahalahiny azy izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:2", "text": "Dia nitomany mafy izy, ka ren\u2019 ny Egyptiana, ary ren\u2019 ny tao an-tranon\u2019 i Farao koa. " }, { "verse": 3, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:3", "text": "Ary hoy Josefa tamin\u2019 ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo. " }, { "verse": 4, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:4", "text": "Ary hoy Josefa tamin\u2019 ny rahalahiny: Avia, manat\u00f2na ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho at\u1ef3 Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:5", "text": "Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin\u2019 ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho at\u1ef3; fa hamonjy aina no nampandehanan\u2019 Andriamanitra ahy hialoha anareo at\u1ef3. " }, { "verse": 6, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:6", "text": "Fa roa taona izao no efa nisian\u2019 ny mosary teto amin\u2019 ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. " }, { "verse": 7, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:7", "text": "Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin\u2019 ny tany, fa hamelona anareo amin\u2019 ny famonjena lehibe. " }, { "verse": 8, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:8", "text": "Ary amin\u2019 izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho at\u1ef3, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain\u2019 i Farao, sy ho tompon\u2019 ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 9, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:9", "text": "Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin\u2019 ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin\u2019 i Josefa zanakao: Efa nataon\u2019 Andriamanitra ho tompon\u2019 i Egypta rehetra aho; ka mid\u00ecna hankat\u1ef3 amiko, fa aza mijanona; " }, { "verse": 10, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:10", "text": "dia honina eo amin\u2019 ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman\u2019 osinao sy ny ombinao mbamin\u2019 izay rehetra anananao. " }, { "verse": 11, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:11", "text": "Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. " }, { "verse": 12, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:12", "text": "Ary, indro, hitan\u2019 ny masonareo sy ny mason\u2019 i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:13", "text": "Dia hambaranareo amin\u2019 ikaky ny voninahitro rehetra at\u1ef3 Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento mid\u00ecna at\u1ef3 ikaky. " }, { "verse": 14, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:14", "text": "Dia namihina ny vozon\u2019 i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin\u2019 ny vozony. " }, { "verse": 15, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:15", "text": "Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny. " }, { "verse": 16, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:16", "text": "Ary re tao an-tranon\u2019 i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin\u2019 i Josefa; dia sitrak\u2019 i Farao sy ny mpanompony izany. " }, { "verse": 17, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:17", "text": "Ary hoy Farao tamin\u2019 i Josefa: Lazao amin\u2019 ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin\u2019 ny bibinareo, ka mankanesa any amin\u2019 ny tany Kanana; " }, { "verse": 18, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:18", "text": "ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa at\u1ef3 amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin\u2019 ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin\u2019 ny tany ianareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:19", "text": "Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: mak\u00e0 sariety amin\u2019 ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa at\u1ef3. " }, { "verse": 20, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:20", "text": "Aza malahelo ny amin\u2019 ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin\u2019 ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:21", "text": "Ary nataon\u2019 ny zanak\u2019 Isiraely izany, ka dia nomen\u2019 i Josefa sariety izy, araka ny tenin\u2019 i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:22", "text": "Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova. " }, { "verse": 23, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:23", "text": "Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an\u2019 ny rainy ho entiny eny an-dalana. " }, { "verse": 24, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:24", "text": "Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:25", "text": "Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin\u2019 i Jakoba rainy tany amin\u2019 ny tany Kanana. " }, { "verse": 26, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:26", "text": "Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon\u2019 i Jakoba, fa tsy nino azy izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:27", "text": "Dia nolazain\u2019 izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain\u2019 i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain\u2019 i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin\u2019 i Jakoba rainy " }, { "verse": 28, "chapter": 45, "name": "Genesis 45:28", "text": "Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho. " } ] }, { "chapter": 46, "name": "Genesis 46", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:1", "text": " Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 Andriamanitr\u2019 Isaka rainy izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:2", "text": "Ary Andriamanitra niteny tamin\u2019 Isiraely tao amin\u2019 ny fahitana nony alina ka nanao ho: Ry Jakoba, ry Jakoba \u00f4! Ary hoy kosa izy: Inty aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:3", "text": "Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao. " }, { "verse": 4, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:4", "text": "Izaho hiara-mid\u00ecna aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny t\u00e0nan\u2019 i Josefa no hanirina ny masonao. " }, { "verse": 5, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:5", "text": "Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak\u2019 Isiraely nitondra an\u2019 i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin\u2019 ny sariety, izay efa nampitondrain\u2019 i Farao hitondrana azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:6", "text": "Ary nentin\u2019 izy ireo ny omby aman\u2019 ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin\u2019 ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy: " }, { "verse": 7, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:7", "text": "ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:8", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ny zanak\u2019 Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy: " }, { "verse": 9, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:9", "text": "Robena, lahimatoan\u2019 i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy " }, { "verse": 10, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:10", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin\u2019 ny vehivavy Kananita. " }, { "verse": 11, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:11", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Levy dia Gersona sy Kehata at\u1ef3 Merary. " }, { "verse": 12, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:12", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin\u2019 ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin\u2019 i Fareza dia Hezrona sy Hamola. " }, { "verse": 13, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:13", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona. " }, { "verse": 14, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:14", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela. " }, { "verse": 15, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:15", "text": "lreo no zanakalahin\u2019 i Lea izay naterany tamin\u2019 i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan\u2019 ny zananilahy rehetra mbamin\u2019 ny zananivavy dia telo amby telo-polo. " }, { "verse": 16, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:16", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Er\u1ef3 sy Aroda ary Arely. " }, { "verse": 17, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:17", "text": "Ary ny zanak\u2019 i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin\u2019 ireo; ary ny zanakalahin\u2019 i Beria dia Hebera sy Malkiela. " }, { "verse": 18, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:18", "text": "Ireo no zanak\u2019 i Zilpa, izay nomen\u2019 i Labana an\u2019 i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin\u2019 i Jakoba, dia enina ambin\u2019 ny folo izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:19", "text": "Ny zanakalahin-dRahely, vadin\u2019 i Jakoba dia Josefa sy Benjamina. " }, { "verse": 20, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:20", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Asenata, zanakavavin\u2019 i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak\u2019 i Josefa tany amin\u2019 ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima. " }, { "verse": 21, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:21", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda. " }, { "verse": 22, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:22", "text": "Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin\u2019 i Jakoba; efatra ambin\u2019 ny folo ny isan\u2019 izy rehetra. " }, { "verse": 23, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:23", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Dana dia Hosima. " }, { "verse": 24, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:24", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema. " }, { "verse": 25, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:25", "text": "Ireo no zanakalahin\u2019 i Bila, izay nomen\u2019 i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak\u2019 i Jakoba; fito no isan\u2019 izy rehetra. " }, { "verse": 26, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:26", "text": "Ny isan\u2019 izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin\u2019 i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Jakoba dia enina amby enim-polo. " }, { "verse": 27, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:27", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan\u2019 ny terak\u2019 i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo. " }, { "verse": 28, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:28", "text": "Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin\u2019 i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin\u2019 ny tany Gosena izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:29", "text": "Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an\u2019 Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin\u2019 ny vozony. " }, { "verse": 30, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:30", "text": "Ary hoy Isiraely tamin\u2019 i Josefa: Aoka ho faty amin\u2019 izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao. " }, { "verse": 31, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:31", "text": "Ary hoy Josefa tamin\u2019 ny rahalahiny sy ny ankohonan\u2019 ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin\u2019 i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan\u2019 ny raiko, izay tany amin\u2019 ny tany Kanana, dia efa tonga at\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 32, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:32", "text": "Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman\u2019 ondry izy; ary ny ondry aman\u2019 osiny sy ny ombiny mbamin\u2019 izay rehetra ananany dia nentiny avokoa. " }, { "verse": 33, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:33", "text": "Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe: Inona no raharaha fanaonareo? " }, { "verse": 34, "chapter": 46, "name": "Genesis 46:34", "text": "dia izao no havalinareo: Miompy omby aman\u2019 ondry no raharaha fanaon\u2019 ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin\u2019 ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin\u2019 ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra. " } ] }, { "chapter": 47, "name": "Genesis 47", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:1", "text": " Ary Josefa nankao amin\u2019 i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman\u2019 osiny sy ny ombiny mbamin\u2019 izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin\u2019 ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin\u2019 ny tany Gosena izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:2", "text": "Ary ny dimy lahy tamin\u2019 ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan\u2019 i Farao. " }, { "verse": 3, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:3", "text": "Ary hoy Farao tamin\u2019 ireo rahalahin\u2019 i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin\u2019 i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin\u2019 ny razanay. " }, { "verse": 4, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:4", "text": "Ary hoy koa izy tamin\u2019 i Farao: Mba hivahiny eto amin\u2019 ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an\u2019 ny ondry aman\u2019 osin\u2019 ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin\u2019 ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin\u2019 ny tany Gosena ny mpanomponao. " }, { "verse": 5, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:5", "text": "Ary Farao dia niteny tamin\u2019 i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga at\u1ef3 aminao; " }, { "verse": 6, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:6", "text": "ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin\u2019 izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin\u2019 ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben\u2019 ny mpiandry ny omby aman\u2019 ondriko. " }, { "verse": 7, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:7", "text": "Dia nentin\u2019 i Josefa ho eo anatrehan\u2019 i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an\u2019 i Farao. " }, { "verse": 8, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:8", "text": "Ary hoy Farao tamin\u2019 i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? " }, { "verse": 9, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:9", "text": "Dia hoy Jakoba tamin\u2019 i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan\u2019 ny razako tamin\u2019 ny andro nivahiniany. " }, { "verse": 10, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:10", "text": "Ary Jakoba, rehefa nisaotra an\u2019 i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. " }, { "verse": 11, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:11", "text": "Dia namponenin\u2019 i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin\u2019 ny tany Egypta, dia tao amin\u2019 ny tany tsara indrindra, tao amin\u2019 ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian\u2019 i Farao. " }, { "verse": 12, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:12", "text": "Dia novelomin\u2019 i Josefa tamin\u2019 ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin\u2019 ny ankohonan\u2019 ny rainy rehetra, araka ny isan\u2019 ny zanany avy. " }, { "verse": 13, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:13", "text": "Ary tsy nisy hanina teo amin\u2019 ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. " }, { "verse": 14, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:14", "text": "Dia nangonin\u2019 i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin\u2019 ny tany Egypta sy tany amin\u2019 ny tany Kanana, dia izay vidin\u2019 ny vary novidin\u2019 ny olona, ka nampidirin\u2019 i Josefa tao an-tranon\u2019 i Farao ny vola. " }, { "verse": 15, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:15", "text": "Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin\u2019 ny tany Egypta sy tany amin\u2019 ny tany Kanana, dia nankeo amin\u2019 i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. " }, { "verse": 16, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:16", "text": "Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman\u2019 ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola. " }, { "verse": 17, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:17", "text": "Dia nentiny tany amin\u2019 i Josefa ny omby aman\u2019 ondriny, ka notakalozan\u2019 i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman\u2019 osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin\u2019 izany taona izany ho takalon\u2019 ny bibiny rehetra. " }, { "verse": 18, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:18", "text": "Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin\u2019 ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin\u2019 itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan\u2019 itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason\u2019 itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay; " }, { "verse": 19, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:19", "text": "nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon\u2019 i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. " }, { "verse": 20, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:20", "text": "Dia notakalozan\u2019 i Josefa ho an\u2019 i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan\u2019 i Farao ny tany. " }, { "verse": 21, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:21", "text": "Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin\u2019 ny tan\u00e0na hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny faritr\u2019 i Egypta rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:22", "text": "Ny tanin\u2019 ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin\u2019 i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen\u2019 i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. " }, { "verse": 23, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:23", "text": "Dia hoy Josefa tamin\u2019 ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an\u2019 i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. " }, { "verse": 24, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:24", "text": "Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an\u2019 i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin\u2019 izay ao an-tranonareo ary hohanin\u2019 ny zanakareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:25", "text": "Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason\u2019 itompokolahy izahay, dia ho mpanompon\u2019 i Farao. " }, { "verse": 26, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:26", "text": "Dia nataon\u2019 i Josefa ho lalana tany amin\u2019 ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an\u2019 i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin\u2019 ny mpisorona ihany no tsy mba lasan\u2019 i Farao. " }, { "verse": 27, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:27", "text": "Ary nonina tao amin\u2019 ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin\u2019 ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra. " }, { "verse": 28, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:28", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Jakoba tao amin\u2019 ny tany Egypta dia fito ambin\u2019 ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan\u2019 i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. " }, { "verse": 29, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:29", "text": "Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan\u2019 Isiraely, dia nampaka an\u2019 i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, mas\u00ecna ianao, ataovy ato ambanin\u2019 ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; mas\u00ecna ianao aza alevina at\u1ef3 Egypta aho. " }, { "verse": 30, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:30", "text": "Fa rehefa lasa mody mandry any amin\u2019 ny razako aho, dia ho entinao hiala at\u1ef3 Egypta ka halevinao ao amin\u2019 ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho. " }, { "verse": 31, "chapter": 47, "name": "Genesis 47:31", "text": "Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan\u2019 ny farafara Isiraely. " } ] }, { "chapter": 48, "name": "Genesis 48", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:1", "text": " Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin\u2019 i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy. " }, { "verse": 2, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:2", "text": "Ary nisy nilaza tamin\u2019 i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho et\u1ef3 aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin\u2019 ny farafara. " }, { "verse": 3, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:3", "text": "Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin\u2019 ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:4", "text": "Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay. " }, { "verse": 5, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:5", "text": "Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tat\u1ef3 amin\u2019 ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tat\u1ef3 aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an\u2019 i Robena sy Simeona. " }, { "verse": 6, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:6", "text": "Fa ny zanakao izay haterakao aorian\u2019 izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an\u2019 ny rahalahiny eo amin\u2019 ny zara-taniny. " }, { "verse": 7, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:7", "text": "Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin\u2019 ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron\u2019 ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). " }, { "verse": 8, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:8", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 Isiraely ny zanak\u2019 i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo? " }, { "verse": 9, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:9", "text": "Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen\u2019 Andriamanitra ahy tat\u1ef3. Ary hoy izy: Mas\u00ecna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano. " }, { "verse": 10, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:10", "text": "Ary efa pahina ny mason\u2019 Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin\u2019 i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:11", "text": "Dia hoy Isiraely tamin\u2019 i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza. " }, { "verse": 12, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:12", "text": "Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan\u2019 ny lohalik\u2019 Isiraely, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:13", "text": "Dia notantanan\u2019 i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin\u2019 ny ankavanany ho eo amin\u2019 ny ankavian\u2019 Isiraely, ary Manase tamin\u2019 ny ankaviany ho eo amin\u2019 ny ankavanan\u2019 Isiraely, ka nentiny nanatona azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:14", "text": "Dia nahinjitr\u2019 Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin\u2019 ny lohan\u2019 i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny t\u00e0nany ankavia kosa teo amin\u2019 ny lohan\u2019 i Manase; fa niniany natao toy izany ny t\u00e0nany, nefa Manase no lahimatoa. " }, { "verse": 15, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:15", "text": "Dia nitso-drano an\u2019 i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan\u2019 i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, " }, { "verse": 16, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:16", "text": "ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin\u2019 ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran\u2019 i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin\u2019 ny tany anie izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:17", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Josefa fa ny rainy nametraka ny t\u00e0nany ankavanana teo amin\u2019 ny lohan\u2019 i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan\u2019 ny rainy, mba hampiala azy amin\u2019 ny lohan\u2019 i Efraima ho amin\u2019 ny lohan\u2019 i Manase, " }, { "verse": 18, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:18", "text": "ka hoy Josefa tamin\u2019 ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin\u2019 ny lohany ny tananao ankavanana. " }, { "verse": 19, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:19", "text": "Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro. " }, { "verse": 20, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:20", "text": "Dia nitso-drano azy tamin\u2019 izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan\u2019 ny Isiraely rano hoe: Hataon\u2019 Andriamanitra tahaka an\u2019 i Efraima sy tahaka an\u2019 i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan\u2019 i Manase. " }, { "verse": 21, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:21", "text": "Ary hoy Isiraely tamin\u2019 i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin\u2019 ny tanindrazanareo. " }, { "verse": 22, "chapter": 48, "name": "Genesis 48:22", "text": "Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin\u2019 ny rahalahinao, izay nalaiko tamin\u2019 ny sabatro sy ny tsipikako teo an-t\u00e0nan\u2019 ny Amorita. " } ] }, { "chapter": 49, "name": "Genesis 49", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:1", "text": " Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany. " }, { "verse": 2, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:2", "text": "Miang\u00f2na, ka mandrenesa, ry zanakalahin\u2019 i Jakoba, eny, mihainoa an\u2019 Isiraely rainareo: " }, { "verse": 3, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:3", "text": "Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan\u2019 ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery. " }, { "verse": 4, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:4", "text": "Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin\u2019 ny fandrian\u2019 ny rainao ianao, tamin\u2019 izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany! " }, { "verse": 5, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:5", "text": "SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany; " }, { "verse": 6, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:6", "text": "Aza mankeo amin\u2019 izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin\u2019 ny fiangonany, ry fanahiko; fa tamin\u2019 ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin\u2019 ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby. " }, { "verse": 7, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:7", "text": "Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin\u2019 i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:8", "text": "Ry JODA, hoderain\u2019 ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin\u2019 ny vozon\u2019 ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao. " }, { "verse": 9, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:9", "text": "Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy! " }, { "verse": 10, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:10", "text": "Ny tehim-panjakana tsy hiala amin\u2019 i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan\u2019 ny tongony, mandra-pahatongan\u2019 i Silo, ka hanoa Azy ny firenena. " }, { "verse": 11, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:11", "text": "Mamatotra ny borikiny tanora eo amin\u2019 ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin\u2019 ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin\u2019 ny divay izy, ary ny akanjony tamin\u2019 ny ram-boaloboka. " }, { "verse": 12, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:12", "text": "Mangamanga ny masony azon\u2019 ny divay ary fotsy ny nifiny azon\u2019 ny ronono. " }, { "verse": 13, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:13", "text": "ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin\u2019 i Sidona. " }, { "verse": 14, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:14", "text": "ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan\u2019 ny vala; " }, { "verse": 15, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:15", "text": "Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra. " }, { "verse": 16, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:16", "text": "DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin\u2019 ny firenen\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:17", "text": "Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin\u2019 ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:18", "text": "Ny famonjenao no andrasako, Jehovah \u00f4! " }, { "verse": 19, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:19", "text": "GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika. " }, { "verse": 20, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:20", "text": "ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian\u2019 ny hanim-pin\u2019 andriana. " }, { "verse": 21, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:21", "text": "NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:22", "text": "JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy. " }, { "verse": 23, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:23", "text": "Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy; " }, { "verse": 24, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:24", "text": "Kanefa mateza hery ny tsip\u00eckany, ary mailamailaka ny sandrin-t\u00e0nany, avy amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 Ilay Maherin\u2019 i Jakoba, dia avy ao amin\u2019 ny Mpiandry, Izay Vatolampin\u2019 ny Isiraely, " }, { "verse": 25, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:25", "text": "Avy amin\u2019 ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin\u2019 ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin\u2019 ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin\u2019 ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin\u2019 ny nono sy ny kibo. " }, { "verse": 26, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:26", "text": "Ny tso-dranon\u2019 ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin\u2019 ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan\u2019 i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan\u2019 ilay nalaza tamin\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 27, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:27", "text": "BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo. " }, { "verse": 28, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:28", "text": "Ireo rehetra ireo no firenen\u2019 ny Isiraely roa ambin\u2019 ny folo; ary izany no nolazain\u2019 ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:29", "text": "Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin\u2019 ny razako; aleveno ao amin\u2019 ny razako aho, dia ao anatin\u2019 ny zohy izay any amin\u2019 ny sahan\u2019 i Efrona Hetita, " }, { "verse": 30, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:30", "text": "ao anatin\u2019 ny zohy izay any amin\u2019 ny saha Makpela, izay tandrifin\u2019 i Mamre, any amin\u2019 ny tany Kanana, dia ilay novidin\u2019 i Abrahama mbamin\u2019 ny saha tamin\u2019 i Efrona Hetita ho tany fandevenana. " }, { "verse": 31, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:31", "text": "Tao no nandevenany an\u2019 i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an\u2019 Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an\u2019 i Lea, " }, { "verse": 32, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:32", "text": "ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Heta. " }, { "verse": 33, "chapter": 49, "name": "Genesis 49:33", "text": " Ary rehefa vitan\u2019 i Jakoba ny hafatra nataony tamin\u2019 ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin\u2019 ny razany. " } ] }, { "chapter": 50, "name": "Genesis 50", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:1", "text": "Ary Josefa nihohoka tamin\u2019 ny tavan\u2019 ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:2", "text": "Ary nasain\u2019 i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an\u2019 Isiraely ny mpanao fanafody. " }, { "verse": 3, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:3", "text": "Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan\u2019 ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro. " }, { "verse": 4, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:4", "text": "Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin\u2019 ny tao an-tranon\u2019 i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, mas\u00ecna ianareo, lazao amin\u2019 i Farao, ka ataovy hoe: " }, { "verse": 5, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:5", "text": "Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin\u2019 ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin\u2019 ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina at\u1ef3 indray. " }, { "verse": 6, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:6", "text": "Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao. " }, { "verse": 7, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:7", "text": "Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon\u2019 i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin\u2019 ny tany Egypta, " }, { "verse": 8, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:8", "text": "ary ny ankohonan\u2019 i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman\u2019 osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin\u2019 ny tany Gosena. " }, { "verse": 9, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:9", "text": "Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:10", "text": "Ary rehefa tonga teo Goren\u2019 atada izy, izay ao an-dafin\u2019 i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa. " }, { "verse": 11, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:11", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin\u2019 ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 12, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:12", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy, " }, { "verse": 13, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:13", "text": "dia nitondra azy tany amin\u2019 ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin\u2019 ny zohy amin\u2019 ny saha Makpela, tandrifin\u2019 i Mamre, dia ilay novidin\u2019 i Abrahama mbamin\u2019 ny saha tamin\u2019 i Efrona Hetita ho tany fandevenana. " }, { "verse": 14, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:14", "text": "Ary rehefa voalevin\u2019 i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin\u2019 izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. " }, { "verse": 15, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:15", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny rahalahin\u2019 i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy. " }, { "verse": 16, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:16", "text": "Dia naniraka nankany amin\u2019 i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty, " }, { "verse": 17, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:17", "text": "ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin\u2019 i Josefa: Mamela re ny fahadisoan\u2019 ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan\u2019 ny mpanompon\u2019 ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:18", "text": "Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. " }, { "verse": 19, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:19", "text": "Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon\u2019 Andriamanitra va aho? " }, { "verse": 20, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:20", "text": "Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin\u2019 izao anio izao, hamelona olona betsaka. " }, { "verse": 21, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:21", "text": "Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:22", "text": "Ary Josefa sy ny ankohonan\u2019 ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan\u2019 i Josefa dia folo amby zato taona. " }, { "verse": 23, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:23", "text": "Ary hitan\u2019 i Josefa ny zafiafin\u2019 i Efraima; ny zanak\u2019 i Makira koa, zanakalahin\u2019 i Manase, dia noraisin\u2019 i Josefa ho eo am-pofoany. " }, { "verse": 24, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:24", "text": "Ary hoy Josefa tamin\u2019 ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin\u2019 ity tany ity ho any amin\u2019 ny tany izay nianianany tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:25", "text": "Ary Josefa dia nampianiana ny zanak\u2019 Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo. " }, { "verse": 26, "chapter": 50, "name": "Genesis 50:26", "text": "Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin\u2019 ny vata tany Egypta. " } ] } ] }, { "name": "Exodus", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Exodus 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:1", "text": " Ary izao no anaran\u2019 ny zanak\u2019 Isiraely izay niaraka tamin\u2019 i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin\u2019 ny ankohonany avy izy rehetra: " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:2", "text": "Robena sy Simeona sy Levy ary Joda; " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:3", "text": "Isakara sy Zebolona ary Benjamina; " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:4", "text": "Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:5", "text": "Ary ny isan\u2019 ny olona rehetra naterak\u2019 i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:6", "text": "Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin\u2019 izany taranaka rehetra izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:7", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:8", "text": "Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an\u2019 i Josefa. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:9", "text": "Ary izy niteny tamin\u2019 ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely efa maro sy mahery noho isika; " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:10", "text": "andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tah\u00ecny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:11", "text": "Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin\u2019 ny fanompoany mafy. Ary nanao tan\u00e0na fitehirizana ho an\u2019 i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:12", "text": "Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak\u2019 Isiraely indrindra ny Egyptiana. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:13", "text": "Dia nampanompoin\u2019 ny Egyptiana fatratra ny Zanak\u2019 Isiraely, " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:14", "text": "ka nataony mangidy ny fiainany tamin\u2019 ny fanompoana mafy, dia tamin\u2019 ny feta sy ny biriky mbamin\u2019 ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:15", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Egypta niteny tamin\u2019 ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran\u2019 ny anankiray, ary Poa no anaran\u2019 ny anankiray) " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:16", "text": "ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin\u2019 ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:17", "text": "Nefa natahotra an\u2019 Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:18", "text": "Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan\u2019 i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy? " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:19", "text": "Fa hoy ny mpampivelona tamin\u2019 i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:20", "text": "Dia nasian\u2019 Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:21", "text": "Ary tamin\u2019 izany, satria natahotra an\u2019 Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen\u2019 Andriamanitra zanaka izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Exodus 1:22", "text": "Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an\u2019 i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Exodus 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:1", "text": " Ary nisy lehilahy anankiray avy amin\u2019 ny mpianakavin\u2019 i Levy lasa naka vady tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Levy. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:2", "text": "Dia nanan\u2019 anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:3", "text": "Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron\u2019 i Neily ny fiara. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:4", "text": "Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:5", "text": "Ary nidina ny zanakavavin\u2019 i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron\u2019 i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin\u2019 i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:6", "text": "Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan\u2019 ny zanaky ny Hebreo ity. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:7", "text": "Dia hoy kosa ny anabaviny tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Farao: Handeha haka mpitaiza amin\u2019 ny vehivavy Hebreo va aho hankat\u1ef3 aminao mba hitaiza ny zaza ho anao? " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:8", "text": "Ary hoy ny zanakavavin\u2019 i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin\u2019 ny zaza. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:9", "text": "Ary hoy ny zanakavavin\u2019 i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:10", "text": "Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin\u2019 ny rano no nangalako azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:11", "text": " Ary tamin\u2019 izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin\u2019 ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin\u2019 ny Hebreo rahalahiny. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:12", "text": "Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin\u2019 ny fasika ny faty. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:13", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin\u2019 ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao? " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:14", "text": "Fa hoy izy: Iza no nanendry an\u2019 ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan\u2019 ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr\u2019 olona izany! " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:15", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an\u2019 i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan\u2019 i Farao ka nonina tany amin\u2019 ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan\u2019 ny lavaka fantsakana izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:16", "text": "Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman\u2019 osin-drainy. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:17", "text": "Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman\u2019 osiny. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:18", "text": "Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany? " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:19", "text": "Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman\u2019 osy. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:20", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:21", "text": "Ary sitrak\u2019 i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:22", "text": "Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny at\u1ef3 amin\u2019 ny tanin\u2019 ny firenena hafa aho. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:23", "text": " Ary tao anatin\u2019 izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan\u2019 i Egypta; ary ny Zanak\u2019 Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin\u2019 Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany. " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:24", "text": "Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "Exodus 2:25", "text": "Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak\u2019 Isiraely ka nahafantatra azy. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Exodus 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:1", "text": "Ary Mosesy niandry ny ondry aman\u2019 osin\u2019 i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman\u2019 osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:2", "text": "Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin\u2019 ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:3", "text": "Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan\u2019 ny roimemy. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:4", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan\u2019 ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:5", "text": "Ary hoy Izy: Aza manakaiky et\u1ef3; esory ny kapanao amin\u2019 ny tongotrao, fa tany mas\u00ecna io ijanonanao io. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:6", "text": "Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr\u2019 i Abrahama sy Andriamanitr\u2019 Isaka ary Andriamanitr\u2019 i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an\u2019 Andriamanitra izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:7", "text": "Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian\u2019 ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon\u2019 ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:8", "text": "dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin\u2019 izany tany izany ho any amin\u2019 izay tany soa sy malalaka, dia any amin\u2019 izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:9", "text": "Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely dia efa mby at\u1ef3 amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian\u2019 ny Egyptiana azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:10", "text": "Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin\u2019 i Farao hitondra ny Zanak\u2019 Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:11", "text": "Fa hoy Mosesy tamin\u2019 Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin\u2019 i Farao sy hitondra ny Zanak\u2019 Isiraely hivoaka avy any Egypta? " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:12", "text": "Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an\u2019 Andriamanitra eto amin\u2019 ity tendrombohitra ity ianareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:13", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:14", "text": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:15", "text": "Ary hoy koa Andriamanitra tamin\u2019 i Mosesy: Izao no holazainao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr\u2019 i Abrahama sy Andriamanitr\u2019 i Isaka ary Andriamanitr\u2019 i Jakoba, no efa naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin\u2019 ny taranaka fara mandimby. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:16", "text": "Mandehana, dia ang\u00f2ny ny loholon\u2019 ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo at\u1ef3 Egypta; " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:17", "text": "ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin\u2019 ny fahoriana at\u1ef3 Egypta ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin\u2019 izay tany tondra-dronono sy tantely. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:18", "text": "Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta ianao sy ny loholon\u2019 ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitray. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:19", "text": "Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin\u2019 ny tanana mahery aza. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:20", "text": "Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an\u2019 i Egypta amin\u2019 ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:21", "text": "Ary hataoko mahita fitia eo imason\u2019 ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina; " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "Exodus 3:22", "text": "fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin\u2019 ny miray monina aminy sy amin\u2019 izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin\u2019 ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Exodus 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:1", "text": "Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:2", "text": "Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:3", "text": "Ary hoy Izy: Atsipazo amin\u2019 ny tany iny. Dia natsipiny tamin\u2019 ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:4", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin\u2019 ny rambony iny, dia naninjitra ny t\u00e0nany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-t\u00e0nany indray izy " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:5", "text": "mba hinoan\u2019 ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr\u2019 i Abrahama sy Andriamanitr\u2019 Isaka ary Andriamanitr\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:6", "text": "Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny t\u00e0nany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny t\u00e0nany ka fotsy tahaka ny oram-panala. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:7", "text": "Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny t\u00e0nany; ary nony notsoahany tamin\u2019 ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy). " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:8", "text": "Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon\u2019 ny famantarana voalohany, dia hino ny feon\u2019 ny famantarana aoriana izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:9", "text": "Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin\u2019 ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga r\u00e0 eo amin\u2019 ny tany maina. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:10", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Jehovah: Tompo \u00f4, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin\u2019 izao itenenanao amin\u2019 ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:11", "text": "Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan\u2019 ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:12", "text": "Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:13", "text": "Fa hoy izy: Tompo \u00f4! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:14", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 i Mosesy ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:15", "text": "Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:16", "text": "Ary izy hiteny amin\u2019 ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon\u2019 Andriamanitra aminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:17", "text": "Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:18", "text": "Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin\u2019 i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Mas\u00ecna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin\u2019 ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin\u2019 i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:19", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:20", "text": "Dia nalain\u2019 i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin\u2019 ny tany Egypta izy; ary nentin\u2019 i Mosesy teny an-t\u00e0nany ilay tehin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:21", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan\u2019 i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:22", "text": "Ary lazao amin\u2019 i Farao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely; " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:23", "text": "koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nand\u00e0 tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa. " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:24", "text": "Ary nony tany an-dalana tao amin\u2019 ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:25", "text": "Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan\u2019 ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin\u2019 ny fandatsahan-dr\u00e0 ianao. " }, { "verse": 26, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:26", "text": "Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin\u2019 ny fandatsahan-dr\u00e0 ianao, noho ny fora. " }, { "verse": 27, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:27", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Arona: Mandehana hitsena an\u2019 i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin\u2019 ny tendrombohitr\u2019 Andriamanitra, dia nanoroka azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:28", "text": "Ary nambaran\u2019 i Mosesy tamin\u2019 i Arona izay teny rehetra efa nanirahan\u2019 i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:29", "text": "Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra. " }, { "verse": 30, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:30", "text": "Dia nolazain\u2019 i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy, sady nataony teo imason\u2019 ny olona ny famantarana. " }, { "verse": 31, "chapter": 4, "name": "Exodus 4:31", "text": "Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak\u2019 Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Exodus 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:1", "text": " Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin\u2019 i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:2", "text": "Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:3", "text": "Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin\u2019 ny areti-mandringana, na amin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:4", "text": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019 i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin\u2019 ny asany? mandehana any amin\u2019 ny fanompoanareo mafy. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:5", "text": "Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin\u2019 ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin\u2019 ny fanompoany mafy. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:6", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin\u2019 ny mpifehy azy ka nanao hoe: " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:7", "text": "Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:8", "text": "Kanefa ny isan\u2019 ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 Andriamanitray. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:9", "text": "Hamafio ny fanompoan\u2019 ny olona mba hifotorany amin\u2019 izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:10", "text": "Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin\u2019 ny mpifehy azy ka niteny tamin\u2019 ny olona nanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony; " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:11", "text": "fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin\u2019 izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:12", "text": "Dia niely eran\u2019 ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon\u2019 ny mololo. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:13", "text": "Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan\u2019 andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:14", "text": "Ary ny mpifehy ny Zanak\u2019 Isiraely, izay notendren\u2019 ny mpampiasa avy amin\u2019 i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin\u2019 ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha? " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:15", "text": "Dia nankao amin\u2019 i Farao ny mpifehy ny Zanak\u2019 Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin\u2019 ny mpanomponao ianao? " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:16", "text": "Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:17", "text": "Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:18", "text": "Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:19", "text": "Ary hitan\u2019 ny mpifehy ny Zanak\u2019 Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan\u2019 ny birikinareo amin\u2019 ny anjara-fanompoana isan\u2019 andro. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:20", "text": "Ary izy ireo dia nihaona tamin\u2019 i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin\u2019 i Farao izy; " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:21", "text": "dia hoy izy tamin\u2019 izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan\u2019 i Farao sy eo anatrehan\u2019 ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-t\u00e0nany hamonoany anay. " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:22", "text": "Ary Mosesy niverina ho any amin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Tompo \u00f4, nahoana no nahatonga loza tamin\u2019 ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao? " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "Exodus 5:23", "text": "Fa hatrizay nankanesako tao amin\u2019 i Farao mba hiteny amin\u2019 ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin\u2019 ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Exodus 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:1", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin\u2019 i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin\u2019 ny taniny. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:2", "text": " Ary Andriamanitra niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:3", "text": "ary tamin\u2019 ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:4", "text": "Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:5", "text": "Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay ampanompoin\u2019 ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:6", "text": "Koa lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin\u2019 ny fanompoana mafy ampanaovin\u2019 ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin\u2019 ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:7", "text": "Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin\u2019 ny fanompoana mafy ampanaovin\u2019 ny Egyptiana anareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:8", "text": "Ary Izaho hampiditra anareo any amin\u2019 ny tany izay nananganako tan\u00e0na homena an\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:9", "text": "Ary Mosesy nilaza izany tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; nefa izy tsy nihaino an\u2019 i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:10", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:11", "text": "Mankanesa ao amin\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak\u2019 Isiraely hiala amin\u2019 ny taniny. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:12", "text": "Ary Mosesy niteny teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak\u2019 Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan\u2019 i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:13", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely sy ho amin\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, mba hitondra ny Zanak\u2019 Isiraely hivoaka avy amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:14", "text": " Izao no lohan\u2019 ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan\u2019 Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:15", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin\u2019 ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen\u2019 i Simeona. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:16", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan\u2019 i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:17", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:18", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan\u2019 i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:19", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen\u2019 ny Levita, araka ny taranany. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:20", "text": "Ary Amrama naka an\u2019 i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an\u2019 i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan\u2019 i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:21", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:22", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:23", "text": "Ary Arona naka an\u2019 i Eliseba, zanakavavin\u2019 i Aminadaba sady anabavin\u2019 i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an\u2019 i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:24", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen\u2019 ny Korana. " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:25", "text": "Ary Eleazara, zanakalahin\u2019 i Arona, naka vady avy tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Potiela, dia niteraka an\u2019 i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny Levita, araka ny fokom-pireneny. " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:26", "text": "Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan\u2019 i Jehovah hoe: Ento ny Zanak\u2019 Isiraely hivoaka avy any amin\u2019 ny tany Egypta araka ny antokony. " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:27", "text": "Ireo no niteny tamin\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, mba hitondra ny Zanak\u2019 Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona. " }, { "verse": 28, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:28", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro izay nitenenan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy teo amin\u2019 ny tany Egypta, " }, { "verse": 29, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:29", "text": "dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. " }, { "verse": 30, "chapter": 6, "name": "Exodus 6:30", "text": "Ary Mosesy niteny teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan\u2019 i Farao ahy! " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Exodus 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:1", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an\u2019 i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:2", "text": "Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin\u2019 i Farao, mba handefasany ny Zanak\u2019 Isiraely hiala amin\u2019 ny taniny, " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:3", "text": "Ary Izaho hanamafy ny fon\u2019 i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:4", "text": "Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an\u2019 i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely oloko hiala amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:5", "text": "Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin\u2019 i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak\u2019 Isiraely hivoaka avy any. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:6", "text": "Dia nataon\u2019 i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian\u2019 i Jehovah azy no nataony. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:7", "text": "Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin\u2019 i Farao izy mirahalahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:8", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy sy Arona: " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:9", "text": "Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin\u2019 i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan\u2019 i Farao, dia ho tonga menarana iny. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:10", "text": "Ary Mosesy sy Arona nankao amin\u2019 i Farao ka nanao araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah; dia natsipin\u2019 i Arona teo anatrehan\u2019 i Farao sy teo anatrehan\u2019 ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:11", "text": "Dia nampanalain\u2019 i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin\u2019 ny fankatovany. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:12", "text": "Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin\u2019 i Arona nitelina ny tehin\u2019 ireo. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:13", "text": "Dia nihamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:14", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Efa mafy ny fon\u2019 i Farao, ka mand\u00e0 tsy handefa ny olona izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:15", "text": "Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin\u2019 ny rano izy; dia mijanona eo amoron\u2019 i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay nov\u00e0na ho menarana, ho entinao eny an-tananao), " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:16", "text": "dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:17", "text": "Koa izao no lazain\u2019 i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko et\u1ef3 an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga r\u00e0 izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:18", "text": "Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian\u2019 ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:19", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Lazao amin\u2019 i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin\u2019 ny ranon\u2019 i Egypta ny tananao, dia ambonin\u2019 ny sampan-dranony sy ambonin\u2019 ny lahin-dranony, sy ambonin\u2019 ny heniheniny, ary ambonin\u2019 ny kamoriny rehetra, mba ho tonga r\u00e0 ireny; ary hisy r\u00e0 eran\u2019 ny tany Egypta rehetra, na amin\u2019 ny fitoeran-drano hazo na amin\u2019 ny fitoeran-drano vato. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:20", "text": "Ary nataon\u2019 i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason\u2019 i Farao sy teo imason\u2019 ny mpanompony, dia tonga r\u00e0 ny rano rehetra tao Neily; " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:21", "text": "koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon\u2019 ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny r\u00e0 dia nanerana ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:22", "text": "Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin\u2019 ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:23", "text": "Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:24", "text": "Dia nihady rano hosotroiny teo amoron\u2019 i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:25", "text": "Ary nisy hafitoana taorian\u2019 ny namelezan\u2019 i Jehovah an\u2019 i Neily. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:26", "text": " Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mankanesa ao amin\u2019 i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:27", "text": "Fa raha mand\u00e0 ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin\u2019 ny sahona; " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:28", "text": "dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin\u2019 ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin\u2019 ny farafaranao sy any amin\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanomponao sy amin\u2019 ny vahoakanao ary eny amin\u2019 ny fanendasa-mofonao sy eny amin\u2019 ny vilia fanaova-mofonao. " }, { "verse": 29, "chapter": 7, "name": "Exodus 7:29", "text": "Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran\u2019 ny sahona. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Exodus 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:1", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Lazao amin\u2019 i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin\u2019 ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:2", "text": "Ary nahinjitr\u2019 i Arona tambonin\u2019 ny rano tany Egypta ny t\u00e0nany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:3", "text": "Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin\u2019 ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:4", "text": "Ary Farao dia nampaka an\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin\u2019 i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin\u2019 ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:5", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin\u2019 ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy? " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:6", "text": "Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka \u00e0ry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an\u2019 i Jehovah Andriamanitray. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:7", "text": "Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin\u2019 ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:8", "text": "Ary Mosesy sy Arona niala teo amin\u2019 i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 ny sahona izay efa nataony tamin\u2019 i Farao. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:9", "text": "Dia nataon\u2019 i Jehovah araka ny tenin\u2019 i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin\u2019 ny trano sy teny amin\u2019 ny tokotany ary tany an-tsaha. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:10", "text": "Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:11", "text": "Fa nony hitan\u2019 i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:12", "text": " Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Lazao amin\u2019 i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran\u2019 ny tany Egypta rehetra izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:13", "text": "Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr\u2019 i Arona ny t\u00e0nany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin\u2019 ny olona sy teny amin\u2019 ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran\u2019 ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:14", "text": "Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin\u2019 ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin\u2019 ny olona sy teny amin\u2019 ny biby fiompy. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:15", "text": "Dia hoy ny ombiasy tamin\u2019 i Farao: Rantsan-t\u00e0nan\u2019 Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:16", "text": " Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsang\u00e0na eo anatrehan\u2019 i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin\u2019 ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:17", "text": "Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon\u2019 ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:18", "text": "Fa havahako amin\u2019 izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran\u2019 ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan\u2019 ny tany. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:19", "text": "Dia hasiako fiavahana amin\u2019 ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian\u2019 izany famantarana izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:20", "text": "Ary nataon\u2019 i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Farao sy tao amin\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanompony ary teny amin\u2019 ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:21", "text": "Ary Farao nampaka an\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 Andriamanitrareo eto amin\u2019 ity tany ity. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:22", "text": "Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin\u2019 ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin\u2019 ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay? " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:23", "text": "Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay. " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:24", "text": "Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy. " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:25", "text": "Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin\u2019 i Jehovah mba hialan\u2019 ny lalitra amin\u2019 i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i\u2019 Jehovah. " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:26", "text": "Ary Mosesy niala teo amin\u2019 i Farao ka nangataka tamin\u2019 i Jehovah " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:27", "text": "Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin\u2019 i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin\u2019 i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza. " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "Exodus 8:28", "text": "Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin\u2019 izany ka tsy nandefa ny olona. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Exodus 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:1", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mankanesa ao amin\u2019 i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:2", "text": "Fa raha mand\u00e0 ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany, " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:3", "text": "dia, indro, ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah ho amin\u2019 ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin\u2019 ny soavaly sy amin\u2019 ny boriky sy amin\u2019 ny rameva sy amin\u2019 ny omby ary amin\u2019 ny ondry aman\u2019 osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:4", "text": "Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin\u2019 ny Isiraely amin\u2019 ny bibin\u2019 ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely na dia iray aza. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:5", "text": "Dia nanendry fotoan\u2019 andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan\u2019 i Jehovah izany zavatra izany eto amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:6", "text": "Ary nony ampitso dia nataon\u2019 i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin\u2019 ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:7", "text": "Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:8", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy sy Arona: Mangal\u00e0 lavenona amin\u2019 ny tananao ao amin\u2019 ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin\u2019 i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason\u2019 i Farao izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:9", "text": "Dia hitora-jofo eran\u2019 ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin\u2019 ny olona sy amin\u2019 ny biby fiompy eran\u2019 ny tany Egypta rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:10", "text": "Dia naka lavenona tamin\u2019 ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan\u2019 i Farao; dia natopin\u2019 i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin\u2019 ny olona sy tamin\u2019 ny biby fiompy. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:11", "text": "Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan\u2019 i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin\u2019 ny Egyptiana rehetra. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:12", "text": "Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:13", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan\u2019 i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:14", "text": "Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy at\u1ef3 amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin\u2019 ny tany rehetra. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:15", "text": "Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin\u2019 ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin\u2019 ny tany ianao. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:16", "text": "Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin\u2019 ny tany rehetra ny anarako. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:17", "text": "Mbola mirehareha amin\u2019 ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy? " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:18", "text": "Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin\u2019 ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:19", "text": "Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan\u2019 ny havandra ka ho faty avokoa. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:20", "text": "Ary izay natahotra ny tenin\u2019 i Jehovah teo amin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:21", "text": "fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin\u2019 i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:22", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin\u2019 ny tany Egypta rehetra, dia amin\u2019 ny olona sy amin\u2019 ny biby fiompy ary amin\u2019 ny anana rehetra any an-tsaha eran\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:23", "text": "Dia nahinjitr\u2019 i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin\u2019 ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:24", "text": "Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan\u2019 ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin\u2019 ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:25", "text": "Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran\u2019 ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian\u2019 ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:26", "text": "Fa tao amin\u2019 ny tany Gosena izay nitoeran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:27", "text": "Dia naniraka Farao nampaka an\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin\u2019 izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:28", "text": "Mangataha amin\u2019 i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:29", "text": "Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin\u2019 ny tan\u00e0na aho, dia hamelatra ny tanako amin\u2019 i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an\u2019 i Jehovah ny tany. " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:30", "text": "Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an\u2019 i Jehovah Andriamanitra ihany. " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:31", "text": "Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony. " }, { "verse": 32, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:32", "text": "Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny. " }, { "verse": 33, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:33", "text": "Ary Mosesy niala teo amin\u2019 i Farao ka nankeo ivelan\u2019 ny tan\u00e0na, dia namelatra ny t\u00e0nany tamin\u2019 i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin\u2019 ny tany intsony. " }, { "verse": 34, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:34", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony. " }, { "verse": 35, "chapter": 9, "name": "Exodus 9:35", "text": "Dia nihamafy ny fon\u2019 i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak\u2019 Isiraely izy, araka izay efa nampilazain\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Exodus 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:1", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mankanesa ao amin\u2019 i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon\u2019 ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:2", "text": "ary mba holazainao ho ren\u2019 ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:3", "text": "Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin\u2019 i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:4", "text": "Fa raha mand\u00e0 ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin\u2019 ny taninao rehetra Aho rahampitso; " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:5", "text": "dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan\u2019 ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha; " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:6", "text": "dia hameno ny tranonao sy ny tranon\u2019 ny mpanomponao rehetra ary ny tranon\u2019 ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan\u2019 ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr\u2019 izay andro niainany tet\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin\u2019 i Farao. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:7", "text": "Ary hoy ny mpanompon\u2019 i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an\u2019 i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta? " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:8", "text": "Dia nisy nampiverina an\u2019 i Mosesy sy Arona hankao amin\u2019 i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha? " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:9", "text": "Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman\u2019 osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:10", "text": "Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin\u2019 ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:11", "text": "Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an\u2019 i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan\u2019 i Farao. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:12", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Ahinjiro ambonin\u2019 ny tany Egypta ny tananao hihavian\u2019 ny valala, dia hiakatra ho eto amin\u2019 ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin\u2019 ny tany, dia izay rehetra sisan\u2019 ny havandra. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:13", "text": "Dia nahinjitr\u2019 i Mosesy tambonin\u2019 ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin\u2019 ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:14", "text": "Ary ny valala niakatra ho amin\u2019 ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:15", "text": "Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin\u2019 ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan\u2019 ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran\u2019 ny tany Egypta rehetra, na tamin\u2019 ny hazo, na tamin\u2019 ny anana tany an-tsaha. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:16", "text": "Ary Farao dia nampaka an\u2019 i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:17", "text": "Ary ankehitriny, mas\u00ecna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:18", "text": "Dia niala teo amin\u2019 i Farao izy ka nangataka tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:19", "text": "Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin\u2019 ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran\u2019 ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:20", "text": "Nefa Jehovah nanamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak\u2019 Isiraely izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:21", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin\u2019 ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:22", "text": "Dia nahinjitr\u2019 i Mosesy nanandrify ny lanitra ny t\u00e0nany; dia nisy aizim-pito eran\u2019 ny tany Egypta rehetra hateloana, " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:23", "text": "koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin\u2019 izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin\u2019 ny fonenany. " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:24", "text": "Ary Farao dia nampaka an\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an\u2019 i Jehovah; fa ny ondry aman\u2019 osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:25", "text": "Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 haterinay ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitray; " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:26", "text": "ary ny omby aman\u2019 ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an\u2019 i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an\u2019 i Jehovah mandra-pahatonganay any. " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:27", "text": "Ary Jehovah dia nanamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:28", "text": "Ary hoy Farao taminy: Mial\u00e0 amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin\u2019 izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao. " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "Exodus 10:29", "text": "Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Exodus 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:1", "text": " Fa Jehovah nilaza tamin\u2019 i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin\u2019 i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala at\u1ef3 izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala at\u1ef3. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:2", "text": "Koa mitenena amin\u2019 ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin\u2019 ny namany avy, ary ny vehivavy amin\u2019 ny namany avy koa. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:3", "text": "Dia nataon\u2019 i Jehovah nahita fitia teo imason\u2019 ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin\u2019 ny tany Egypta, dia teo imason\u2019 ny mpanompon\u2019 i Farao sy teo imason\u2019 ny vahoaka. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:4", "text": "Ary hoy Mosesy: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan\u2019 i Egypta, " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:5", "text": "dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin\u2019 ny tany Egypta, hatramin\u2019 ny matoan\u2019 i Farao izay mipetraka eo ambonin\u2019 ny seza fiandrianany ka hatramin\u2019 ny matoan\u2019 ny ankizivaviny izay eo anilan\u2019 ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:6", "text": "Ary hisy fidradradradrana mafy eran\u2019 ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:7", "text": "Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, na amin\u2019 ny olona, na amin\u2019 ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian\u2019 i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:8", "text": "Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin\u2019 i Farao tamin\u2019 ny fahatezerana mirehitra Mosesy. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:9", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan\u2019 ny fahagagana izay hataoko eto amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Exodus 11:10", "text": "Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin\u2019 i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon\u2019 i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak\u2019 Isiraely hiala tamin\u2019 ny taniny izy. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Exodus 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona teo amin\u2019 ny tany Egypta ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:2", "text": "Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin\u2019 ny taona ho anareo izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:3", "text": "Mitenena ianareo amin\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin\u2019 ny andro fahafolo amin\u2019 ity volana ity dia aoka samy haka zanak\u2019 ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak\u2019 ondry iray avy no ho an\u2019 ny isan-trano; " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:4", "text": "ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak\u2019 ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan\u2019 ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak\u2019 ondry. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:5", "text": "Zanak\u2019 ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin\u2019 ny ondry na amin\u2019 ny osy izy; " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:6", "text": "ary hotehirizinareo izy hatramin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ity volana ity; dia hamono azy amin\u2019 ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:7", "text": "Ary hanalany ny r\u00e0, ka hatentiny amin\u2019 ny tolam-baravarana roa sy amin\u2019 ny tataom-baravaran\u2019 ny trano izay hihinanany azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:8", "text": "Dia hohaniny amin\u2019 izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin\u2019 ny afo no hihinanany azy mbamin\u2019 ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin\u2019 ny anana mangidy. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:9", "text": "Aza hanina manta na voahandro amin\u2019 ny rano izy, fa atsatsiho amin\u2019 ny afo mbamin\u2019 ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:10", "text": "Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tah\u00ecny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:11", "text": "Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin\u2019 ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:12", "text": "Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin\u2019 izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin\u2019 ny tany Egypta hatramin\u2019 ny olona ka hatramin\u2019 ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:13", "text": "Ary ny r\u00e0 dia ho famantarana ho anareo eo amin\u2019 ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny r\u00e0 Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:14", "text": "Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an\u2019 i Jehovah; hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:15", "text": "Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin\u2019 ny voalohan\u2019 andro no hanesoranareo ny masirasira amin\u2019 ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin\u2019 ny andro voalohany ka hatramin\u2019 ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:16", "text": "Ary amin\u2019 ny andro voalohany dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo ary amin\u2019 ny andro fahafito koa hisy fivoriana mas\u00ecna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin\u2019 izany andro izany, afa-tsy izay hohanin\u2019 ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:17", "text": "Ary hitandrina ny andron\u2019 ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby ho lal\u00e0na mandrakizay. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:18", "text": "Amin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan\u2019 ny andro fahiraika amby roa-polo amin\u2019 ny volana. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:19", "text": "Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fiangonan\u2019 ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:20", "text": "Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin\u2019 izay itoeranareo rehetra avy ianareo. " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:21", "text": "Dia nampanalain\u2019 i Mosesy ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka mak\u00e0 ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:22", "text": "Dia mak\u00e0 hysopa iray fihina, ka atsobohy amin\u2019 ny r\u00e0 izay ao anatin\u2019 ny bakoly ary ny r\u00e0 izay ao anatin\u2019 ny bakoly dia anenteno amin\u2019 ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran\u2019 ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain\u2019 ny andro. " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:23", "text": "Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny r\u00e0 eo amin\u2019 ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:24", "text": "Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lal\u00e0na ho anareo sy ho an\u2019 ny taranakareo mandrakizay. " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:25", "text": "Ary rehefa tonga any amin\u2019 ny tany izay homen\u2019 i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:26", "text": "Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton\u2019 izao fanompoana ataonareo izao? " }, { "verse": 27, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:27", "text": "dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan\u2019 i Jehovah, Izay nandalo ny tranon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka. " }, { "verse": 28, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:28", "text": "Ary dia nandeha ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy sy Arona no nataony. " }, { "verse": 29, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:29", "text": "Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin\u2019 ny tany Egypta, hatramin\u2019 ny lahimatoan\u2019 i Farao izay nipetraka teo ambonin\u2019 ny seza fiandrianany ka hatramin\u2019 ny lahimatoan\u2019 ny babo izay tao amin\u2019 ny trano-maizina, mbamin\u2019 izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. " }, { "verse": 30, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:30", "text": "Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. " }, { "verse": 31, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:31", "text": "Dia nampaka an\u2019 i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsang\u00e0na, mial\u00e0 eto amin\u2019 ny vahoakako ianareo sy ny Zanak\u2019 Isiraely, ary mandehana ka manompoa an\u2019 i Jehovah araka ny nolazainareo. " }, { "verse": 32, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:32", "text": "Ary ny ondry aman\u2019 osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho. " }, { "verse": 33, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:33", "text": "Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin\u2019 ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra. " }, { "verse": 34, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:34", "text": "Dia nentin\u2019 ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin\u2019 ny lambany teny an-tsorony. " }, { "verse": 35, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:35", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nanao araka ny tenin\u2019 i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin\u2019 ny Egyptiana. " }, { "verse": 36, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:36", "text": "Ary nataon\u2019 i Jehovah nahita fitia teo imason\u2019 ny Egyptiana ny olona, ka nomen\u2019 ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana. " }, { "verse": 37, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:37", "text": "Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak\u2019 Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy. " }, { "verse": 38, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:38", "text": "Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman\u2019 osy sy omby, dia fananana be indrindra. " }, { "verse": 39, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:39", "text": "Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin\u2019 ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy. " }, { "verse": 40, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:40", "text": "Ary ny andro nitoeran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona. " }, { "verse": 41, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:41", "text": "Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin\u2019 izany andro izany indrindra no nivoahan\u2019 ny antokony rehetra izay an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 42, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:42", "text": "Alina notandreman\u2019 i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin\u2019 ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an\u2019 i Jehovah ka hotandreman\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra hatramin\u2019 ny taranany fara mandimby. " }, { "verse": 43, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:43", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy sy Arona: Izao no lal\u00e0n\u2019 ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy. " }, { "verse": 44, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:44", "text": "Ary ny andevolahin\u2019 ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana. " }, { "verse": 45, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:45", "text": "Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy. " }, { "verse": 46, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:46", "text": "Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza. " }, { "verse": 47, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:47", "text": "Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany. " }, { "verse": 48, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:48", "text": "Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan\u2019 i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany. " }, { "verse": 49, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:49", "text": "Lal\u00e0na iray no ho amin\u2019 ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo. " }, { "verse": 50, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:50", "text": "Dia nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy sy Arona no nataony. " }, { "verse": 51, "chapter": 12, "name": "Exodus 12:51", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany indrindra no nitondran\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta araka ny antokony. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Exodus 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:2", "text": "Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:3", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin\u2019 ny trano nahandevozana, fa tamin\u2019 ny tanana mahery no nitondran\u2019 i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:4", "text": "Izao andro amin\u2019 ny volana Abiba izao no ivoahanareo " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:5", "text": "Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin\u2019 ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin\u2019 izao volana izao. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:6", "text": "Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin\u2019 ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:7", "text": "Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin\u2019 ny taninao rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:8", "text": "Dia hambaranao amin\u2019 ny zanakao amin\u2019 izany andro izany hoe: Noho ny nataon\u2019 i Jehovah tamiko tamin\u2019 ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:9", "text": "Dia ho famantarana ho anao eo amin\u2019 ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin\u2019 ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran\u2019 i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:10", "text": "Dia tandremo amin\u2019 ny fotoany isan-taona izao lal\u00e0na izao. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:11", "text": "Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany, " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:12", "text": "dia hatokanao ho an\u2019 i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an\u2019 i Jehovah ny lahy rehetra; " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:13", "text": "ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak\u2019 ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin\u2019 ny olona eo amin\u2019 ny zanakao dia havotanao. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:14", "text": "Ary raha hanontany anao ny zanakao amin\u2019 ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton\u2019 izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran\u2019 i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin\u2019 ny trano nahandevozana; " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:15", "text": "ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin\u2019 i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin\u2019 ny tany Egypta, hatramin\u2019 ny lahimatoan\u2019 ny olona ka hatramin\u2019 ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an\u2019 i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin\u2019 ny zanako dia soloako. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:16", "text": "Ary ho famantarana eo amin\u2019 ny tananao sy ho fehy eo ambonin\u2019 ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran\u2019 i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:17", "text": " Ary rehefa nalefan\u2019 i Farao ny olona, dia tsy mba nentin\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny lalana nankany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:18", "text": "Fa nentin\u2019 Andriamanitra nivily ho amin\u2019 ny lalana mahazo any an-efitra amoron\u2019 ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak\u2019 Isiraely avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:19", "text": "Ary nentin\u2019 i Mosesy niaraka taminy ny taolan\u2019 i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala at\u1ef3 miaraka aminareo ianareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:20", "text": "Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin\u2019 ny efitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:21", "text": "Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin\u2019 ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin\u2019 ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman\u2019 alina. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "Exodus 13:22", "text": "Ny andri-rahona tsy niala teo alohan\u2019 ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Exodus 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:1", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:2", "text": "Lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin\u2019 i Pi-hahirota, eo anelanelan\u2019 i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin\u2019 i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:3", "text": "Ary Farao hilaza ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Azon\u2019 ny tamberintany izy ka voahidin\u2019 ny efitra. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:4", "text": "Dia hanamafy ny fon\u2019 i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin\u2019 i Farao sy amin\u2019 ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:5", "text": "Ary nisy nanambara tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon\u2019 i Farao sy ny mpanompony ny amin\u2019 ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin\u2019 ny fanompoany antsika isika? " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:6", "text": "Dia nasainy nofehezina tamin\u2019 ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:7", "text": "Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin\u2019 ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:8", "text": "Ary Jehovah nanamafy ny fon\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, dia nanenjika ny Zanak\u2019 Isiraely izy, na dia tamin\u2019 ny tanana avo aza no nivoahany. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:9", "text": "Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin\u2019 i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron\u2019 ny ranomasina, teo anilan\u2019 i Pi-hahirota, tandrifin\u2019 i Balazefona. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:10", "text": "Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak\u2019 Isiraely ka nitaraina tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:11", "text": "Ary hoy koa izy tamin\u2019 i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty at\u1ef3 an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:12", "text": "Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:13", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 ny olona: Aza matahotra ianareo, mijan\u00f2na, fa ho hitanareo ny famonjen\u2019 i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:14", "text": "Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:15", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mba handroso. " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:16", "text": "Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin\u2019 ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan\u2019 ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:17", "text": "Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon\u2019 ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin\u2019 i Farao sy amin\u2019 ny miaramilany rehetra mbamin\u2019 ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:18", "text": "dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin\u2019 i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:19", "text": "Ary Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan\u2019 ny tobin\u2019 ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:20", "text": "ka tonga teo anelanelan\u2019 ny tobin\u2019 ny Egyptiana sy ny tobin\u2019 ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:21", "text": "Dia nahinjitr\u2019 i Mosesy teo ambonin\u2019 ny ranomasina ny t\u00e0nany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan\u2019 i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:22", "text": "Dia nandeha teo afovoan\u2019 ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak\u2019 Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin\u2019 ny ankavanany sy teo amin\u2019 ny ankaviany. " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:23", "text": "Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan\u2019 ny ranomasina, dia ny soavalin\u2019 i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:24", "text": "Ary tamin\u2019 ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin\u2019 ny Egyptiana tao amin\u2019 ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin\u2019 ny Egyptiana. " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:25", "text": "Ary nanala ny kodian\u2019 ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan\u2019 ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin\u2019 ny Egyptiana ho an\u2019 ireo. " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:26", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin\u2019 ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan\u2019 ny rano amin\u2019 ny Egyptiana mbamin\u2019 ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:27", "text": "Dia nahinjitr\u2019 i Mosesy teo ambonin\u2019 ny ranomasina ny t\u00e0nany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian\u2019 i Jehovah teo afovoan\u2019 ny ranomasina ny Egyptiana. " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:28", "text": "Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan\u2019 i Farao rehetra izay niditra teo amin\u2019 ny ranomasina nanenjika ny Zanak\u2019 Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:29", "text": "Fa ny Zanak\u2019 Isiraely kosa nandeha tamin\u2019 ny tany maina teo afovoan\u2019 ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin\u2019 ny ankavanany sy teo amin\u2019 ny ankaviany. " }, { "verse": 30, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:30", "text": "Izany no namonjen\u2019 i Jehovah ny Isiraely tamin\u2019 izany andro izany mba tsy ho azon\u2019 ny Egyptiana; ary hitan\u2019 ny Isiraely teny amoron\u2019 ny ranomasina ny fatin\u2019 ny Egyptiana. " }, { "verse": 31, "chapter": 14, "name": "Exodus 14:31", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny Egyptiana, dia natahotra an\u2019 i Jehovah ny olona ka nino an\u2019 i Jehovah sy Mosesy mpanompony. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Exodus 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:1", "text": " Ary Mosesy sy ny Zanak\u2019 Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an\u2019 i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:2", "text": "Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:3", "text": "Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:4", "text": "Ny kalesin\u2019 i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin\u2019 ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin\u2019 ny Ranomasina Mena. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:5", "text": "Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:6", "text": "Ny tananao ankavanana, Jehovah \u00f4, efa malaza amin\u2019 ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah \u00f4, manorotoro ny fahavalo. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:7", "text": "Amin\u2019 ny halehiben\u2019 ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:8", "text": "Ary ny fofonain\u2019 ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan\u2019 ny ranomasina ny lalina. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:9", "text": "Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:10", "text": "Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin\u2019 ny rano mahery izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:11", "text": "Jehovah \u00f4, iza moa no tahaka Anao amin\u2019 izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin\u2019 ny fahamasinana, deraina amin\u2019 ny fahatahorana, Mpanao fahagagana? " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:12", "text": "Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:13", "text": "Tarihinao amin\u2019 ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin\u2019 ny herinao ho any amin\u2019 ny fonenanao mas\u00ecna izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:14", "text": "Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia; " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:15", "text": "Toran-kovitra ny loham-pirenen\u2019 i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin\u2019 i Moaba; reraka ny fon\u2019 izay rehetra monina any Kanana. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:16", "text": "Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben\u2019 ny sandrinao dia mang\u00ecna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon\u2019 ny olonao, Jehovah \u00f4, mandra-pandalon\u2019ny olona izay navotanao. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:17", "text": "Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin\u2019 ny tendrombohitra lovanao, ao amin\u2019 ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah \u00f4, dia ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna naorin\u2019 ny tananao, Tompo \u00f4. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:18", "text": "Jehovah hanjaka mandrakizay doria. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:19", "text": "Fa niditra teo amin\u2019 ny ranomasina ny soavalin\u2019 i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak\u2019 Isiraely kosa nandeha tamin\u2019 ny tany maina teo afovoan\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:20", "text": "Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin\u2019 i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-t\u00e0nany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:21", "text": "Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an\u2019 i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:22", "text": " Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron\u2019 ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin\u2019 ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:23", "text": "Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:24", "text": "Dia nimonomonona tamin\u2019 i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay? " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:25", "text": "Ary dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izy, ka dia nanehoan\u2019 i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin\u2019 ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan\u2019 i Jehovah lal\u00e0na sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy, " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:26", "text": "ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lal\u00e0ny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin\u2019 ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao. " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "Exodus 15:27", "text": " Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin\u2019 ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan\u2019 ny rano izy. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Exodus 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:1", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana faharoa taorian\u2019 ny nialany tany amin\u2019 ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka nankany amin\u2019 ny efitra Sina, izay eo anelanelan\u2019 i Elima sy Sinay. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:2", "text": "Dia nimonomonona tamin\u2019 i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:3", "text": "ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah tany amin\u2019 ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan\u2019 ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho at\u1ef3 an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:4", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan\u2019 andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:5", "text": "Ary raha mby amin\u2019 ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan\u2019 andro. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:6", "text": "Ary hoy Mosesy sy Arona tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta; " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:7", "text": "ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr\u2019 i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin\u2019 i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo? " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:8", "text": "Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen\u2019 i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren\u2019 i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:9", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona: Lazao amin\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, hoe: Manat\u00f2na eo anatrehan\u2019 i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:10", "text": "Ary raha Arona mbola niteny tamin\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr\u2019 i Jehovah niseho teo amin\u2019 ny rahona. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:11", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:12", "text": "Efa reko ny fimonomononan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:13", "text": "Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby; " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:14", "text": "ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin\u2019 ny efitra, madinika toy ny fanala amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:15", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen\u2019 i Jehovah ho fihinanareo. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:16", "text": "Izao no teny izay nandidian\u2019 i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran\u2019 ny vata omera avy ho amin\u2019 ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an\u2019 izay ao an-dainy avy. " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:17", "text": "Dia nanao izany ny Zanak\u2019 Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:18", "text": "Ary raha nafatrany tamin\u2019 ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:19", "text": "Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:20", "text": "Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin\u2019 i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin\u2019 ny olona Mosesy. " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:21", "text": "Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:22", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan\u2019 andro ny olona, dia indroan\u2019 ny vata omera ho an\u2019 ny isan-olona avy; dia avy ny lohan\u2019 ny fiangonana ka nanambara tamin\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:23", "text": "Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. " }, { "verse": 24, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:24", "text": "Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian\u2019 i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:25", "text": "Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an\u2019 i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. " }, { "verse": 26, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:26", "text": "Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin\u2019 izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:27", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza. " }, { "verse": 28, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:28", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lal\u00e0ko? " }, { "verse": 29, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:29", "text": "Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin\u2019 ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin\u2019 ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin\u2019 ny fitoerany amin\u2019 ny andro fahafito. " }, { "verse": 30, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:30", "text": "Dia nitsahatra ny olona tamin\u2019 ny andro fahafito. " }, { "verse": 31, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:31", "text": "Ary ny anarany dia nataon\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely. " }, { "verse": 32, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:32", "text": "Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian\u2019 i Jehovah: Analao eran\u2019 ny vata omera izy hotehirizina hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta Aho. " }, { "verse": 33, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:33", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona: Mak\u00e0 vilany, ka asio mana eran\u2019 ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan\u2019 i Jehovah mba hotehirizina hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby. " }, { "verse": 34, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:34", "text": "Ary araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy no nametrahan\u2019 i Arona izany teo anatrehan\u2019 ny Vavolombelona mba hotehirizina. " }, { "verse": 35, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:35", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin\u2019 izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin\u2019 ny sisin\u2019 ny tany Kanana. " }, { "verse": 36, "chapter": 16, "name": "Exodus 16:36", "text": "Ary ny omera dia ampahalofon\u2019 ny vata efaha. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Exodus 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:1", "text": " Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron\u2019 i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin\u2019 ny olona. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:2", "text": "Dia nila ady tamin\u2019 i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an\u2019 i Jehovah ianareo? " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:3", "text": "Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin\u2019 i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:4", "text": "Ary Mosesy nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin\u2019 ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:5", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mandrosoa eo alohan\u2019 ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon\u2019 ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an\u2019 i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:6", "text": "Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin\u2019 ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin\u2019 ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason\u2019 ny loholon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:7", "text": "Ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an\u2019 i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia? " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:8", "text": "Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin\u2019 ny Isiraely tao Refidima. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:9", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin\u2019 ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon\u2019 ny havoana aho ka hitana ny tehin\u2019 Andriamanitra et\u1ef3 an-tanako. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:10", "text": "Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain\u2019 i Mosesy taminy, ka niady tamin\u2019 ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon\u2019 ny havoana. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:11", "text": "Ary raha nasandratr\u2019 i Mosesy ny t\u00e0nany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny t\u00e0nany, dia nahery kosa ny Amalekita. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:12", "text": "Fa efa vizana ny tanan\u2019 i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin\u2019 i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny t\u00e0nany, ka ny iray tamin\u2019 ny anila, ary ny iray kosa tamin\u2019 ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny t\u00e0nany mandra-pahafatin\u2019 ny masoandro. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:13", "text": "Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin\u2019 ny lelan-tsabatra. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:14", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Soraty eo amin\u2019 ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin\u2019 i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin\u2019 ny lanitra. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:15", "text": "Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "Exodus 17:16", "text": "Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin\u2019 izay taranany fara mandimby. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Exodus 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:1", "text": " Ary efa ren\u2019 i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan\u2019 i Mosesy, izay rehetra nataon\u2019 Andriamanitra ho an\u2019 i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran\u2019 i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:2", "text": "Dia nentin\u2019 i Jetro, rafozan\u2019 i Mosesy, Zipora, vadin\u2019 i Mosesy, rehefa nampivereniny izy, " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:3", "text": "ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran\u2019 ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny at\u1ef3 amin\u2019 ny tanin\u2019 ny firenena hafa aho; " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:4", "text": "ary Eliezera kosa no anaran\u2019 ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan\u2019 ny sabatr\u2019 i Farao. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:5", "text": "Dia tonga Jetro, rafozan\u2019 i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak\u2019 i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan\u2019 ny tendrombohitr\u2019 Andriamanitra: " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:6", "text": "dia nampilaza tamin\u2019 i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin\u2019 ny zanany roa lahy koa. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:7", "text": "Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:8", "text": "Ary nambaran\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny rafozany izay rehetra efa nataon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Farao sy tamin\u2019 ny Egyptiana noho ny amin\u2019 ny Isiraely, mbamin\u2019 ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:9", "text": "Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Egyptiana. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:10", "text": "Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Egyptiana sy tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin\u2019 ny Egyptiana. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:11", "text": "Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin\u2019 izay zavatra nentin\u2019 ny Egyptiana nirehareha tamin\u2019 ireny. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:12", "text": "Ary Jetro, rafozan\u2019 i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 ho an\u2019 Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin\u2019 ny rafozan\u2019 i Mosesy teo anatrehan\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:13", "text": "Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan\u2019 i Mosesy ny olona hatramin\u2019 ny maraina ka hatramin\u2019 ny hariva. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:14", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny rafozan\u2019 i Mosesy izay rehetra nataony tamin\u2019 ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin\u2019 ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin\u2019 ny maraina ka hatramin\u2019 ny hariva? " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:15", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:16", "text": "Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin\u2019 Andriamanitra sy ny lal\u00e0ny. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:17", "text": "Ary hoy ny rafozan\u2019 i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:18", "text": "Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:19", "text": "Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan\u2019 ny olona amin\u2019 Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin\u2019 Andriamanitra; " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:20", "text": "ary hampianatra azy ny didy sy ny lal\u00e0na izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:21", "text": "Ary mizaha eo amin\u2019 ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an\u2019 Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:22", "text": "Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:23", "text": "Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin\u2019 ny taniny. " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:24", "text": "Dia neken\u2019 i Mosesy ny tenin\u2019 ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:25", "text": "Dia nofidin\u2019 i Mosesy izay lehilahy mahay tamin\u2019 ny Isiraely rehetra ka nataony lohan\u2019 ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo. " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:26", "text": "Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin\u2019 i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "Exodus 18:27", "text": "Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin\u2019 ny taniny izy. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Exodus 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:1", "text": " Tamin\u2019 ny volana fahatelo taorian\u2019 ny nialan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny tany Egypta, dia tamin\u2019 izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr\u2019 i Sinay. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:2", "text": "Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin\u2019 ny efitr\u2019 i Sinay, dia nitoby teo amin\u2019 ny efitra; dia tandrifin\u2019 ny tendrombohitra no nitobian\u2019 ny Isiraely teo. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:3", "text": "Ary Mosesy niakatra ho ao amin\u2019 Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin\u2019 ny taranak\u2019 i Jakoba sy hambaranao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:4", "text": "Hianareo efa nahita izay nataoko tamin\u2019 ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin\u2019 ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho at\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:5", "text": "Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:6", "text": "Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena mas\u00ecna ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:7", "text": "Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon\u2019 ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:8", "text": "Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain\u2019 i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin\u2019 i Mosesy tao amin\u2019 i Jehovah kosa ny tenin\u2019 ny olona. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:9", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin\u2019 ny rahona maizina, mba ho ren\u2019 ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran\u2019 i Mosesy tamin\u2019 i Jehovah ny tenin\u2019 ny olona. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:10", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mandehana ho eny amin\u2019 ny olona, ka manamas\u00ecna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:11", "text": "ary aoka samy hiomana ho amin\u2019 ny andro fahatelo izy; fa amin\u2019 ny andro fahatelo no hidinan\u2019 i Jehovah ho eo imason\u2019 ny olona rehetra eo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra Sinay. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:12", "text": "Dia hanisy fefy manodidina ho an\u2019 ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin\u2019 ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:13", "text": "tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin\u2019 ny tendrombohitra izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:14", "text": "Dia nidina avy tao amin\u2019 ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin\u2019 ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:15", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny olona: Miom\u00e0na ianareo ho amin\u2019 ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:16", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny marain\u2019 ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin\u2019 ny tendrombohitra, ary nisy feon\u2019 anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:17", "text": "Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin\u2019 Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin\u2019 ny tendrombohitra izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:18", "text": "Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:19", "text": "Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:20", "text": "Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an\u2019 i Mosesy hankeo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:21", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mid\u00ecna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin\u2019 i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:22", "text": "Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an\u2019 i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:23", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin\u2019 ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:24", "text": "Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mid\u00ecna, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin\u2019 i Jehovah, fandrao haringana izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "Exodus 19:25", "text": "Ary Mosesy dia nidina nankeny amin\u2019 ny olona ka niteny taminy. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Exodus 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:1", "text": " Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:2", "text": "Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, tamin\u2019 ny trano nahandevozana. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:3", "text": "Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:4", "text": "Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin\u2019 ny lanitra ambony, na izay et\u1ef3 amin\u2019 ny tany ambany, na izay any amin\u2019 ny rano ambanin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:5", "text": "Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin\u2019 ny zanaka hatramin\u2019 ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin\u2019 izay mankahala Ahy; " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:6", "text": "nefa kosa mamindra fo amin\u2019 ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:7", "text": "Aza manonona foana ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon\u2019 i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:8", "text": "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:9", "text": "Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:10", "text": "Fa Sabatan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin\u2019 izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:11", "text": "Fa henemana no nanaovan\u2019 i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin\u2019 izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin\u2019 ny andro fahafito; izany no nitahian\u2019 i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:12", "text": "Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho anao. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:13", "text": "Aza mamono olona. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:14", "text": "Aza mijangajanga. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:15", "text": "Aza mangalatra. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:16", "text": "Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:17", "text": "Aza mitsiriritra ny tranon\u2019 ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin\u2019 ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an\u2019 ny namanao akory aza. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:18", "text": "Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon\u2019 ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:19", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:20", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan\u2019 ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:21", "text": "Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:22", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Izao no lazaonao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:23", "text": "Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko. " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:24", "text": "Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman\u2019 osinao sy ny ombinao; eo amin\u2019 ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao. " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:25", "text": "Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy. " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "Exodus 20:26", "text": "Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin\u2019 ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Exodus 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:1", "text": " Ary izao no lal\u00e0na izay hataonao eo anatrehany: " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:2", "text": "Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin\u2019 ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:3", "text": "Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:4", "text": "Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an\u2019 ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:5", "text": "Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho, " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:6", "text": "dia ho entin\u2019 ny tompony ho eo anatrehan\u2019 Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin\u2019 ny varavarana, na ho eo amin\u2019 ny tolam-baravarana, ka hotevehin\u2019 ny tompony amin\u2019 ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:7", "text": "Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon\u2019 olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan\u2019 ny andevolahy ho afaka no fialany. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:8", "text": "Fa raha tsy ankasitrahan\u2019 ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin\u2019 ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:9", "text": "Ary raha mamofo azy ho vadin\u2019 ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:10", "text": "Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:11", "text": "Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:12", "text": "Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa; " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:13", "text": "fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-t\u00e0nany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:14", "text": "Ary raha misy olona avy sahisahy amin\u2019 ny namany hamono azy amin\u2019 ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin\u2019 ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:15", "text": "Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:16", "text": "Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-t\u00e0nany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa. " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:17", "text": "Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:18", "text": "Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin\u2019 ny vato, na amin\u2019 ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy, " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:19", "text": "raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr\u2019 andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:20", "text": "Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin\u2019 ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:21", "text": "Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:22", "text": "Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan\u2019 anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan\u2019 ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian\u2019 ny mpitsara izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:23", "text": "Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon\u2019 ny aina ianao, " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:24", "text": "maso solon\u2019 ny maso, nify solon\u2019 ny nify, tanana solon\u2019 ny tanana, tongotra solon\u2019 ny tongotra, " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:25", "text": "may solon\u2019 ny may, ratra solon\u2019 ny ratra, mivatra solon\u2019 ny mivatra. " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:26", "text": "Ary raha misy olona mamely ny mason\u2019 ny andevolahiny na ny mason\u2019 ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony. " }, { "verse": 27, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:27", "text": "Ary raha ny nifin\u2019 ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny. " }, { "verse": 28, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:28", "text": "Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon\u2019 ilay omby dia ho afa-tsiny. " }, { "verse": 29, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:29", "text": "Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin\u2019 ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin\u2019 ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina. " }, { "verse": 30, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:30", "text": "Raha sazina izy, dia handoa vidin\u2019 aina araka izay sazy atao aminy. " }, { "verse": 31, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:31", "text": "Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lal\u00e0na izany koa no hanaovana azy. " }, { "verse": 32, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:32", "text": "Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon\u2019 andevo, ary ny omby hotoraham-bato. " }, { "verse": 33, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:33", "text": "Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao, " }, { "verse": 34, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:34", "text": "dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an\u2019 ny tompony; ary ny maty dia ho azy. " }, { "verse": 35, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:35", "text": "Ary raha misy ombin\u2019 olona mandratra ny ombin\u2019 ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy. " }, { "verse": 36, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:36", "text": "Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin\u2019 ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon\u2019 ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy. " }, { "verse": 37, "chapter": 21, "name": "Exodus 21:37", "text": "Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon\u2019 ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon\u2019 ny ondry na osy iray. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "Exodus 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:1", "text": "Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-dr\u00e0 amin\u2019 izany; " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:2", "text": "fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-dr\u00e0 ihany amin\u2019 izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:3", "text": "Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:4", "text": "Raha misy olona mampitondraka amin\u2019 ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin\u2019 olona izany biby izany, dia amin\u2019 ny tsara indrindra ao amin\u2019 ny sahany, ary amin\u2019 ny tsara indrindra ao amin\u2019 ny tanim-boalobony, no hanonerany. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:5", "text": "Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:6", "text": "Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin\u2019 ny sasany ao amin\u2019 ny tranon\u2019 ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:7", "text": "Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan\u2019 Andriamanitra ny tompon\u2019 ny trano mba hizahana na naninjitra ny t\u00e0nany ka naka ny fananan\u2019 ny namany izy, na tsia. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:8", "text": "Ny amin\u2019 ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon\u2019 olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan\u2019 Andriamanitra ny tenin\u2019 izy roa tonta, koa izay helohih\u2019 Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an\u2019 ny namany. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:9", "text": "Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita, " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:10", "text": "dia fianianana amin\u2019 i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny t\u00e0nany ka naka ny fananan\u2019 ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken\u2019 ny tompony izany, dia tsy hisy onitra. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:11", "text": "Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an\u2019 ny tompon-javatra izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:12", "text": "Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:13", "text": "Ary raha misy olona mindran-javatra amin\u2019 ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:14", "text": "Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan\u2019 ny hofany izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:15", "text": "Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:16", "text": "Fa raha mand\u00e0 tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina. " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:17", "text": "Aza velomina ny vehivavy manana ody. " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:18", "text": "Izay rehetra mandry amin\u2019 ny biby dia hatao maty tokoa. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:19", "text": "Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin\u2019 ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin\u2019 i Jehovah ihany, dia ho voaozona. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:20", "text": "Ary aza manao izay sarotra amin\u2019 ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin\u2019 ny tany Egypta ihany ianareo. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:21", "text": "Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo. " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:22", "text": "Fa raha mampahory azy na amin\u2019 inona na amin\u2019 inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:23", "text": "ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin\u2019 ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:24", "text": "Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao. " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:25", "text": "Raha maka ny lamban\u2019 ny namanao ho tsat\u00f2ka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro. " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:26", "text": "Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin\u2019 ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho. " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:27", "text": "Aza miteny ratsy an\u2019 Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:28", "text": "Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin\u2019 ny zanakao-lahy dia omeo Ahy. " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:29", "text": "Izao no hataonao amin\u2019 ny ombinao sy ny ondry aman\u2019 osinao; hafitoana no hitoerany ao amin\u2019 ny reniny; ary amin\u2019 ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy. " }, { "verse": 30, "chapter": 22, "name": "Exodus 22:30", "text": "Ary ho olona mas\u00ecna ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an\u2019 ny amboa izany. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "Exodus 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:1", "text": "Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin\u2019 ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:2", "text": "Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin\u2019 ny adin\u2019 olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:3", "text": "Aza mandravaka ny tenin\u2019 ny malahelo eo amin\u2019 ny fandaharan-teniny ianao. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:4", "text": "Raha hitanao mania ny ombin\u2019 ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:5", "text": "Raha hitanao ny borikin\u2019 izay mankahala anao mihonaka ao ambanin\u2019 ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:6", "text": "Aza mamily ny rariny izay ananan\u2019 ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:7", "text": "Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:8", "text": "Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason\u2019 ny mahiratra sy mamadika ny tenin\u2019 ny marina. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:9", "text": "Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon\u2019 ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin\u2019 ny tany Egypta ihany ianareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:10", "text": "Ary enin-taona no hamafazanao amin\u2019 ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:11", "text": "fa amin\u2019 ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin\u2019 ny malahelo amin\u2019 ny firenenao; ary izay sisan\u2019 ireo dia mba hohanin\u2019 ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin\u2019 ny tanim-boalobokao sy amin\u2019 ny tanin\u2019 olivanao. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:12", "text": "Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin\u2019 ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan\u2019 ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan\u2019 ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:13", "text": "Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran\u2019 andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin\u2019 ny vavanao izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:14", "text": "Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:15", "text": "Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin\u2019 ny fotoan\u2019 andro amin\u2019 ny volana Abiba, fa tamin\u2019 izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:16", "text": "Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin\u2019 ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin\u2019 ny fanangonana amin\u2019 ny faran\u2019 ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:17", "text": "Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan\u2019 ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan\u2019 i Jehovah Tompo. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:18", "text": "Aza manatitra ny ran\u2019 ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran\u2019 ny zavatra vonoina amin\u2019 ny andro firavoravoana ho Ahy. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:19", "text": "Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak\u2019 osy amin\u2019 ny rononon-dreniny. " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:20", "text": " Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin\u2019 ny fitoerana izay namboariko. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:21", "text": "Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:22", "text": "Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon\u2019 ny fahavalonao sy ho rafin\u2019 ny rafinao Aho. " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:23", "text": "Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin\u2019 ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny, " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:24", "text": "Aza miankohoka eo anatrehan\u2019 ny andriamanitr\u2019 ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny. " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:25", "text": "Fa manompoa an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina. " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:26", "text": "Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin\u2019 ny taninao; hotanterahiko ny isan\u2019 ny andronao. " }, { "verse": 27, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:27", "text": "Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho. " }, { "verse": 28, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:28", "text": "Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny. " }, { "verse": 29, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:29", "text": "Tsy handroaka azy eo alohanao amin\u2019 ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia. " }, { "verse": 30, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:30", "text": "Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany. " }, { "verse": 31, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:31", "text": "Ary hatramin\u2019 ny Ranomasina Mena ka hatramin\u2019 ny ranomasin\u2019 ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin\u2019 ny efitra ka hatramin\u2019 ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin\u2019 ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao. " }, { "verse": 32, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:32", "text": "Aza manao fanekena aminy na amin\u2019 ny andriamaniny ianao. " }, { "verse": 33, "chapter": 23, "name": "Exodus 23:33", "text": "Tsy honina eo amin\u2019 ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany, " } ] }, { "chapter": 24, "name": "Exodus 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:1", "text": " Ary hoy Izy tamin\u2019 i Mosesy: Miakara ao amin\u2019 i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin\u2019 ny loholon\u2019 ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo; " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:2", "text": "nefa Mosesy ihany no hanakaiky an\u2019 i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:3", "text": "Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin\u2019 ny olona ny teny rehetra izay nataon\u2019 i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain\u2019 i Jehovah dia hataonay. " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:4", "text": "Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon\u2019 i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin\u2019 ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin\u2019 ny folo, araka ny firenen\u2019 Isiraely roa ambin\u2019 ny folo. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:5", "text": "Ary ny zatovo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr\u2019 ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:6", "text": "Ary nalain\u2019 i Mosesy ny antsasaky ny r\u00e0 ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny r\u00e0 kosa natopiny teo amin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:7", "text": "Dia naka ny bokin\u2019 ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan\u2019 ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain\u2019 i Jehovah dia hataonay sy hekenay. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:8", "text": "Ary nalain\u2019 i Mosesy ny r\u00e0 ka natopiny tamin\u2019 ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran\u2019 ny fanekena izay nataon\u2019 i Jehovah taminareo ny amin\u2019 izany teny rehetra izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:9", "text": "Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin\u2019 ny loholon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:10", "text": "Dia nahita an\u2019 Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin\u2019 ny tongony dia toy ny fanganohanon\u2019 ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan\u2019 ny lanitra ny famirapirany. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:11", "text": "Ary tsy naninjitra ny t\u00e0nany tamin\u2019 ireo lehiben\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely Izy; dia nahita an\u2019 Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:12", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lal\u00e0na sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:13", "text": "Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:14", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin\u2019 izy roa lahy izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:15", "text": "Dia niakatra tao amin\u2019 ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:16", "text": "Ary ny voninahitr\u2019 i Jehovah nitoetra teo ambonin\u2019 ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny andro fahafito teo afovoan\u2019 ny rahona Izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:17", "text": "Ary ny fijery ny voninahitr\u2019 i Jehovah teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "Exodus 24:18", "text": "Dia niditra tao afovoan\u2019 ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin\u2019 ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin\u2019 ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "Exodus 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin\u2019 ny olona rehetra izay amporisihin\u2019 ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:3", "text": "Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina, " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:4", "text": "sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon\u2019 osy, " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:5", "text": "sy hoditr\u2019 ondrilahy efa nomen\u2019 aina sy hodi-takasy sy hazo akasia, " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:6", "text": "sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin\u2019 ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona, " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:7", "text": "sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin\u2019 ny efoda sy amin\u2019 ny saron-tratra. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:8", "text": "Ary asaovy manao fitoerana mas\u00ecna ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:9", "text": "Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:10", "text": "Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:11", "text": "Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny. " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:12", "text": "Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin\u2019 ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin\u2019 ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin\u2019 ny lafiny iray koa. " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:13", "text": "Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena. " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:14", "text": "Ary ampidiro ny bao ho eo amin\u2019 ny vava volamena, izay eo amin\u2019 ny lafin\u2019 ny fiara, hilanjana azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:15", "text": "Eo amin\u2019 ny vava volan\u2019 ny fiara no hitoeran\u2019 ny bao, ka tsy hesorina eo izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:16", "text": "Ary ataovy ao anatin\u2019 ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao. " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:17", "text": "Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin\u2019 ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:18", "text": "Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin\u2019 ny sakany roa amin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:19", "text": "Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin\u2019 ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin\u2019 ny sakany anankiray: indray mivofy amin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin\u2019 ny sakany roa. " }, { "verse": 20, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:20", "text": "Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan\u2019 ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:21", "text": "Ary apetraho eo ambonin\u2019 ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin\u2019 ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. " }, { "verse": 22, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:22", "text": "Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan\u2019 ny kerobima roa, izay eo ambonin\u2019 ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 23, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:23", "text": "Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. " }, { "verse": 24, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:24", "text": "Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:25", "text": "Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina. " }, { "verse": 26, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:26", "text": "Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin\u2019 ny zorony efatra izay eo amin\u2019 ny tongony efatra ireo: " }, { "verse": 27, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:27", "text": "eo akaikin\u2019 ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran\u2019 ny bao hilanjana ny latabatra. " }, { "verse": 28, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:28", "text": "Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin\u2019 ireo no hilanjana ny latabatra. " }, { "verse": 29, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:29", "text": "Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo. " }, { "verse": 30, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:30", "text": "Ary asio mofo aseho eo ambonin\u2019 ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva. " }, { "verse": 31, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:31", "text": "Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny. " }, { "verse": 32, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:32", "text": "Ary hisy sampany enina amin\u2019 ny ankilany roa: dia sampany telo amin\u2019 ny fanaovan-jiro eo amin\u2019 ny ankilany iray, ary sampany telo amin\u2019 ny fanaovan-jiro eo amin\u2019 ny ankilany iray koa, " }, { "verse": 33, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:33", "text": "dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin\u2019 ny amygdala, mbamin\u2019 ny kiboriny sy ny voniny, eo amin\u2019 ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin\u2019 ny amygdala, mbamin\u2019 ny kiboriny sy ny voniny, eo amin\u2019 ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin\u2019 ny sampany enina izay amin\u2019 ny fanaovan-jiro. " }, { "verse": 34, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:34", "text": "Ary eo amin\u2019 ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin\u2019 ny amygdala, mbamin\u2019 ny kiboriny sy ny voniny, " }, { "verse": 35, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:35", "text": "dia kiboriny iray eo ambanin\u2019 ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin\u2019 ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin\u2019 ny sampany roa sady miray aminy; dia amin\u2019 ny sampany enina izay miray amin\u2019 ny fanaovan-jiro. " }, { "verse": 36, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:36", "text": "Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin\u2019 ny volamena tsara izy rehetra. " }, { "verse": 37, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:37", "text": "Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany. " }, { "verse": 38, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:38", "text": "Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara. " }, { "verse": 39, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:39", "text": "Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin\u2019 ireny fanaka rehetra ireny. " }, { "verse": 40, "chapter": 25, "name": "Exodus 25:40", "text": "Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "Exodus 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:1", "text": "Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin\u2019 ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan\u2019 ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:2", "text": "Ny halavan\u2019 ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan\u2019 ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra. " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:3", "text": "Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray. " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:4", "text": "Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin\u2019 ny ambainy iray, dia eo an-tsisin\u2019 ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin\u2019 ny ambainy farany, dia eo an-tsisin\u2019 ny anankiray efa voavitrana koa. " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:5", "text": "Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin\u2019 ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin\u2019 ny sisin\u2019 ny ambainy izay amin\u2019 ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:6", "text": "Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin\u2019 ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:7", "text": "Ary manaova ambainy koa amin\u2019 ny volon\u2019 osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin\u2019 ny folo ambainy no hanaovanao azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:8", "text": "Ny halavan\u2019 ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan\u2019 ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin\u2019 ny folo. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:9", "text": "Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin\u2019 ny sakan\u2019 ny lay anatrehana. " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:10", "text": "Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin\u2019 ny ambainy iray izay farany amin\u2019 ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin\u2019 ny ambainy iray amin\u2019 ny anankiray koa efa voavitrana. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:11", "text": "Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin\u2019 ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:12", "text": "Ary izay mihoatra amin\u2019 ny ambain\u2019 ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:13", "text": "Ary ny iray hakiho avy eo amin\u2019 ny lohany roa amin\u2019 ny lamba, izay mihoatra amin\u2019 ny halavan\u2019 ny ambain\u2019 ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin\u2019 ny lafibeny roa amin\u2019 ny tabernakely handrakotra azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:14", "text": "Ary manaova koa rakotry ny lay amin\u2019 ny hoditr\u2019 ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny. " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:15", "text": "Ary manaova zana-kazo akasia ho amin\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:16", "text": "Folo hakiho ny hahavon\u2019 ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben\u2019 ny zana-kazo iray. " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:17", "text": "Lahiny roa no ho amin\u2019 ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:18", "text": "Ary manaova ny zana-kazo ho amin\u2019 ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin\u2019 ny lafiny atsimo. " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:19", "text": "Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin\u2019 ny isan-janakazo iray hiorenan\u2019 ny lahiny roa. " }, { "verse": 20, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:20", "text": "Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin\u2019 ny lafiny faharoa amin\u2019 ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra. " }, { "verse": 21, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:21", "text": "Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin\u2019 ny isan-janakazo iray. " }, { "verse": 22, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:22", "text": "Ary ny lafiny andrefana amin\u2019 ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina. " }, { "verse": 23, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:23", "text": "Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin\u2019 ny zoron\u2019 ny tabernakely amin\u2019 ny lafiny ivoho. " }, { "verse": 24, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:24", "text": "Ary hakambana ho iray izy hatramin\u2019 ny ambany ka hatramin\u2019 ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin\u2019 ny zorony roa no hisy izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:25", "text": "Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin\u2019 ny folo: faladia roa avy ho ambanin\u2019 ny isan-janakazo iray. " }, { "verse": 26, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:26", "text": "Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin\u2019 ny zana-kazo amin\u2019 ny lafiny iray amin\u2019 ny tabernakely, " }, { "verse": 27, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:27", "text": "sy barany dimy ho amin\u2019 ny zana-kazo amin\u2019 ny lafiny iray koa amin\u2019 ny tabernakely, ary barany dimy ho amin\u2019 ny zana-kazo amin\u2019 ny lafiny andrefana izay ao ivohony. " }, { "verse": 28, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:28", "text": "Ary ny barany afovoany, izay afovoan\u2019 ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa. " }, { "verse": 29, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:29", "text": "Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran\u2019 ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany. " }, { "verse": 30, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:30", "text": "Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra. " }, { "verse": 31, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:31", "text": "Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan\u2019 ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. " }, { "verse": 32, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:32", "text": "Ary ahant\u00f2ny amin\u2019 ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin\u2019 ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. " }, { "verse": 33, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:33", "text": "Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin\u2019 ny farango; ary ampidiro ao anatin\u2019 ny efitra lamba ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana mas\u00ecna sy ny fitoerana mas\u00ecna indrindra ho anareo. " }, { "verse": 34, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:34", "text": "Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin\u2019 ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona eo amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna indrindra. " }, { "verse": 35, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:35", "text": "Ary apetraho eo ivelan\u2019 ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin\u2019 ny latabatra amin\u2019 ny lafiny atsimo amin\u2019 ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin\u2019 ny lafiny avaratra. " }, { "verse": 36, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:36", "text": "Ary manaova varavarana lamba ho eo amin\u2019 ny lay, dia amin\u2019 ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan\u2019 ny mahay tenona samy hafa soratra. " }, { "verse": 37, "chapter": 26, "name": "Exodus 26:37", "text": "Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin\u2019 ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "Exodus 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:1", "text": "Ary manaova ny alitara amin\u2019 ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:2", "text": "Ary manaova ny tandrony eo amin\u2019 ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina. " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:3", "text": "Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron\u2019 afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran\u2019 afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:4", "text": "Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin\u2019 ny harato eo amin\u2019 ny zorony efatra, " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:5", "text": "Ary ataovy eo ambanin\u2019 ny sikin\u2019 ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:6", "text": "Ary manaova bao ho amin\u2019 ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina, " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:7", "text": "Ary ampidiro eo amin\u2019 ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin\u2019 ny lafiny roa amin\u2019 ny alitara ny bao, raha lanjaina izy, " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:8", "text": "Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:9", "text": "Ary manaova ny kianjan\u2019 ny tabernakely: amin\u2019 ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin\u2019 ny kianja, zato hakiho ny halavany amin\u2019 ny lafiny iray; " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:10", "text": "ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin\u2019 ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:11", "text": "Ary ho tahaka izany amin\u2019 ny lafiny avaratra, amin\u2019 ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin\u2019 ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:12", "text": "Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin\u2019 ny sakan\u2019 ny kianja amin\u2019 ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany, " }, { "verse": 13, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:13", "text": "Ary ny sakan\u2019 ny kianja amin\u2019 ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho. " }, { "verse": 14, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:14", "text": "Ary hisy fefy lamba dimy ambin\u2019 ny folo hakiho amin\u2019 ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany. " }, { "verse": 15, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:15", "text": "Ary hisy fefy lamba dimy ambin\u2019 ny folo hakiho amin\u2019 ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany. " }, { "verse": 16, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:16", "text": "Ary eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan\u2019 ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany. " }, { "verse": 17, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:17", "text": "Ny tsangantsangany rehetra amin\u2019 ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany, " }, { "verse": 18, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:18", "text": "Ny lavan\u2019 ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany. " }, { "verse": 19, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:19", "text": "Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa. " }, { "verse": 20, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:20", "text": "Ary mandidia ny Zanak\u2019 Isiraely hitondra aminao diloilon\u2019 oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva. " }, { "verse": 21, "chapter": 27, "name": "Exodus 27:21", "text": "Ao anatin\u2019 ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan\u2019 ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan\u2019 i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan\u2019 i Jehovah hatramin\u2019 ny hariva ka hatramin\u2019 ny maraina; ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany hatramin\u2019 ny taranany fara mandimby, " } ] }, { "chapter": 28, "name": "Exodus 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:1", "text": " Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin\u2019 ny zanany, avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin\u2019 i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak\u2019 i Arona. " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:2", "text": "Ary manaova fitafiana mas\u00ecna ho an\u2019 i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy. " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:3", "text": "Ary mitenena amin\u2019 izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian\u2019 i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:4", "text": "Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana mas\u00ecna ho an\u2019 i Arona rahalahinao izy, sy ho an\u2019 ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:5", "text": "Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:6", "text": "Dia aoka izy hanao ny efoda amin\u2019 ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan\u2019 ny mpanenona mahay. " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:7", "text": "Aoka hisy soroka roa avy amin\u2019 ny sisiny roa hampikambana azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:8", "text": "Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina. " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:9", "text": "Ary mak\u00e0 vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:10", "text": "ny anarany enina amin\u2019 ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin\u2019 ny vato iray, araka ny fizokiany; " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:11", "text": "amin\u2019 ny asan\u2019 ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy, " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:12", "text": "Ary ataovy eo amin\u2019 ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny sorony roa ho fahatsiarovana. " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:13", "text": "Ary manaova randram-bolamena " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:14", "text": "sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin\u2019 ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:15", "text": "Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan\u2019 ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:16", "text": "Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra. " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:17", "text": "Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda; " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:18", "text": "ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa; " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:19", "text": "ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta; " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:20", "text": "ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy. " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:21", "text": "Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia roa ambin\u2019 ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin\u2019 ny fanombohan-kase, ho amin\u2019 ny firenena roa ambin\u2019 ny folo araka ny anarany avy. " }, { "verse": 22, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:22", "text": "Ary eo amin\u2019 ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady. " }, { "verse": 23, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:23", "text": "Ary manaova vava volamena roa ho eo amin\u2019 ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin\u2019 ny zorony roa ambony amin\u2019 ny saron-tratra. " }, { "verse": 24, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:24", "text": "Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin\u2019 ny vava vola roa, izay amin\u2019 ny zorony roa ambony amin\u2019 ny saron-tratra. " }, { "verse": 25, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:25", "text": "Ary ny lanin\u2019 ny tady roa dia ataovy eo amin\u2019 ny soroky ny efoda anoloana. " }, { "verse": 26, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:26", "text": "Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin\u2019 ny zorony roa ambany amin\u2019 ny saron-tratra, dia amin\u2019 ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda. " }, { "verse": 27, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:27", "text": "Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin\u2019 ny soroko roa amin\u2019 ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin\u2019 ny fikambanany, eo ambonin\u2019 ny fehin-kibo momba ny efoda. " }, { "verse": 28, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:28", "text": "Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan\u2019 ny saron-tratra amin\u2019 ny vava volan\u2019 ny efoda, mba ho eo ambonin\u2019 ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo. " }, { "verse": 29, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:29", "text": "Ary Arona hitondra ny anaran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely eo amin\u2019 ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 30, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:30", "text": "Ary ataovy eo amin\u2019 ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon\u2019 i Arona izany, raha miditra eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy; ka dia ho entin\u2019 i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny fitsarana ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 31, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:31", "text": "Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa. " }, { "verse": 32, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:32", "text": "Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon\u2019 ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy. " }, { "verse": 33, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:33", "text": "Ary asio sarin\u2019 ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin\u2019 ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina: " }, { "verse": 34, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:34", "text": "dia famohamandry sy sarin\u2019 ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin\u2019 ny moron-tongotry ny akanjo ivelany. " }, { "verse": 35, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:35", "text": "Ary hiakanjoan\u2019 i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna eo anatrehan\u2019 i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy. " }, { "verse": 36, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:36", "text": "Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN\u2019 I JEHOVAH. " }, { "verse": 37, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:37", "text": "Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin\u2019 ny hamama: dia eo anoloan\u2019 ny hamama no hasiana azy. " }, { "verse": 38, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:38", "text": "Ary ho eo ambonin\u2019 ny handrin\u2019 i Arona izy, mba ho entin\u2019 i Arona ny heloky ny zava-mas\u00ecna, izay hohamasinin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely amin\u2019 ny fanomezany mas\u00ecna rehetra; ary ho eo amin\u2019 ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny olona. " }, { "verse": 39, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:39", "text": "Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan\u2019 ny mahay tenona samy hafa soratra. " }, { "verse": 40, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:40", "text": "Ary manaova akanjo lava ho an\u2019 ny zanak\u2019 i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy. " }, { "verse": 41, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:41", "text": "Ary ataovy amin\u2019 i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamas\u00ecna azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy. " }, { "verse": 42, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:42", "text": "Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin\u2019 ny valahany ka hatramin\u2019 ny feny no hisy azy. " }, { "verse": 43, "chapter": 28, "name": "Exodus 28:43", "text": "Ary hiakanjoan\u2019 i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin\u2019 ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lal\u00e0na mandrakizay aminy sy amin\u2019 ny taranany mandimby azy izany. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "Exodus 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:1", "text": " Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: mak\u00e0 vantotr\u2019 ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema, " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:2", "text": "ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:3", "text": "Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin\u2019 ny harona; ary ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa. " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:4", "text": "Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin\u2019 ny rano izy " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:5", "text": "Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an\u2019 i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin\u2019 ny fehin-kibo mamba ny efoda izy; " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:6", "text": "ary ny hamama dia ataovy eo amin\u2019 ny lohany, ary ny diadema mas\u00ecna dia ataovy eo amin\u2019 ny hamama. " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:7", "text": "Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin\u2019 ny lohany, dia manosora azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:8", "text": "Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava. " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:9", "text": "Ary fehezo amin\u2019 ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lal\u00e0na mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an\u2019 i Arona sy ny zanany. " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:10", "text": "Ary asaovy entina ho eo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana ny vantotr\u2019 ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy; " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:11", "text": "dia vonoy eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny vantotr\u2019 ombilahy, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana; " }, { "verse": 12, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:12", "text": "ary analao ny ran\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy, dia atenteno eo amin\u2019 ny tandroky ny alitara amin\u2019 ny fanandranao, ary ny r\u00e0 sisa rehetra dia aidino eo am-bodin\u2019 ny alitara; " }, { "verse": 13, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:13", "text": "ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin\u2019 ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara; " }, { "verse": 14, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:14", "text": "fa ny henan\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin\u2019 ny afo eny ivelan\u2019 ny toby; fanatitra noho ny ota izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:15", "text": "Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny ondrilahy; " }, { "verse": 16, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:16", "text": "dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny r\u00e0ny, dia atopazy manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara; " }, { "verse": 17, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:17", "text": "ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin\u2019 ny voarasa sy ny lohany; " }, { "verse": 18, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:18", "text": "ary dory ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara ny tenan\u2019 ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 19, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:19", "text": "Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny ondrilahy; " }, { "verse": 20, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:20", "text": "dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny r\u00e0ny, dia atenteno amin\u2019 ny tendron\u2019 ny ravin-tsofina ankavanan\u2019 i Arona sy amin\u2019 ny tendron\u2019 ny ravin-tsofina ankavanan\u2019 ny zanany, ary amin\u2019 ny ankihiben-t\u00e0nany ankavanana sy amin\u2019 ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny r\u00e0 sisa dia atopazy manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara " }, { "verse": 21, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:21", "text": "Ary analao ny r\u00e0, izay eo ambonin\u2019 ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin\u2019 i Arona sy amin\u2019 ny fitafiany, ary amin\u2019 ny zanany sy amin\u2019 ny fitafian\u2019 ny zanany koa; dia ho mas\u00ecna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian\u2019 ny zanany koa. " }, { "verse": 22, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:22", "text": "Ary alao ny saboran\u2019 ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin\u2019 ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy; " }, { "verse": 23, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:23", "text": "ary manala iray amin\u2019 ny mofo sy iray amin\u2019 ny mofo voaisy diloilo ary iray amin\u2019 ny mofo manify izay eo amin\u2019 ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 24, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:24", "text": "ary ataovy eo an-t\u00e0nan\u2019 i Arona sy eo an-t\u00e0nan\u2019 ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 25, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:25", "text": "Dia raiso amin\u2019 ny t\u00e0nany izany, ka dory ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara, miaraka amin\u2019 ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo, ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 26, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:26", "text": "Ary alao ny tratran\u2019 ny ondrilahy fanokanana an\u2019 i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah; dia ho anjaranao izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:27", "text": "Ary hamasino ny tratran\u2019 ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin\u2019 ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an\u2019 i Arona sy izay ho an\u2019 ny zanany. " }, { "verse": 28, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:28", "text": "Ary ho anjara mandrakizay ho an\u2019 i Arona sy ho an\u2019 ny taranany avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely avy amin\u2019 ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 29, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:29", "text": "Ary ny fitafiana mas\u00ecna izay an\u2019 i Arona dia ho an\u2019 ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:30", "text": "Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin\u2019 ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin\u2019 ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna. " }, { "verse": 31, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:31", "text": "Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna ny henany " }, { "verse": 32, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:32", "text": "Ary hohanin\u2019 i Arona sy ny zanany eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana ny henan\u2019 ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin\u2019 ny harona. " }, { "verse": 33, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:33", "text": "Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 34, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:34", "text": "Ary raha misy sisa tsy lany amin\u2019 ny henan\u2019 ny fanatitra fanokanana, na amin\u2019 ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin\u2019 ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria mas\u00ecna. " }, { "verse": 35, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:35", "text": "Dia manaova izany amin\u2019 i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy. " }, { "verse": 36, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:36", "text": "Ary vantotr\u2019 ombilahy iray no haterinao isan\u2019 andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy. " }, { "verse": 37, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:37", "text": "Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an\u2019 ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho mas\u00ecna indrindra ny alitara, ary ho mas\u00ecna izay rehetra manendry azy. " }, { "verse": 38, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:38", "text": " Ary izao no haterinao eo ambonin\u2019 ny alitara: zanak\u2019 ondry roa izay iray taona isan\u2019 andro isan\u2019 andro " }, { "verse": 39, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:39", "text": "(ny zanak\u2019 ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak\u2019 ondry iray koa haterinao nony hariva), " }, { "verse": 40, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:40", "text": "ary koba tsara toto ampahafolon\u2019 ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry iray. " }, { "verse": 41, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:41", "text": "Ary ny zanak\u2019 ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin\u2019 ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 42, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:42", "text": "Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana eo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia ao amin\u2019 izay hihaonako aminareo hiteny aminao " }, { "verse": 43, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:43", "text": "Ary hihaona amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ao Aho, ka hohamasinin\u2019 ny voninahitro izy. " }, { "verse": 44, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:44", "text": "Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy. " }, { "verse": 45, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:45", "text": "Ary honina eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely Aho ka ho Andriamaniny. " }, { "verse": 46, "chapter": 29, "name": "Exodus 29:46", "text": "Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny. " } ] }, { "chapter": 30, "name": "Exodus 30", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:1", "text": " Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:2", "text": "Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony. " }, { "verse": 3, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:3", "text": "Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina. " }, { "verse": 4, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:4", "text": "Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin\u2019 ny koronosiny, ka ataovy eo amin\u2019 ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran\u2019 ny bao ireo hilanjana azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:5", "text": "Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena. " }, { "verse": 6, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:6", "text": "Ary apetraho eo anoloan\u2019 ny efitra izay manakona ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin\u2019 ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao. " }, { "verse": 7, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:7", "text": "Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany; " }, { "verse": 8, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:8", "text": "ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan\u2019 i Jehovah mandrakariva hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:9", "text": "Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo. " }, { "verse": 10, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:10", "text": "Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin\u2019 ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin\u2019 ny ran\u2019 ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby; ho mas\u00ecna indrindra ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:11", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe; " }, { "verse": 12, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:12", "text": "Raha maka ny isan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an\u2019 i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:13", "text": "Izao no haloan\u2019 izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely mas\u00ecna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:14", "text": "Izay rehetra voalamina hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:15", "text": "Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an\u2019 i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo. " }, { "verse": 16, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:16", "text": "Ary handray ny vola avotra amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ianao, ka hataonao amin\u2019 ny fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely eo anatrehan\u2019 i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:17", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:18", "text": "Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan\u2019 ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny. " }, { "verse": 19, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:19", "text": "Ary eo no hanasan\u2019 i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany. " }, { "verse": 20, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:20", "text": "Raha miditra amin\u2019 ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin\u2019 ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 21, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:21", "text": "dia hanasa ny tongony aman-t\u00e0nany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lal\u00e0na mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin\u2019 ny taranany fara mandimby. " }, { "verse": 22, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:22", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 23, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:23", "text": "Mak\u00e0 zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak\u2019 izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato " }, { "verse": 24, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:24", "text": "sy kasia dimam-jato; araka ny sekely mas\u00ecna, ary diloilon\u2019 oliva eran\u2019 ny hina; " }, { "verse": 25, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:25", "text": "dia amboary ho diloilo fanosorana mas\u00ecna izany, ho zavatra aharoharo, asan\u2019 ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:26", "text": "Ary hosory amin\u2019 izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona, " }, { "verse": 27, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:27", "text": "sy ny latabatra mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin\u2019 ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, " }, { "verse": 28, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:28", "text": "ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany. " }, { "verse": 29, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:29", "text": "Ary hamasino ireo mba ho mas\u00ecna indrindra; ary ho mas\u00ecna izay rehetra manendry azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:30", "text": "Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy. " }, { "verse": 31, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:31", "text": "Ary mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana mas\u00ecna ho Ahy hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby. " }, { "verse": 32, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:32", "text": "Aoka tsy hihosoran\u2019 ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa mas\u00ecna izy ka ho mas\u00ecna aminareo. " }, { "verse": 33, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:33", "text": "Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin\u2019 ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 34, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:34", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mak\u00e0 zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo. " }, { "verse": 35, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:35", "text": "Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon\u2019 ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy mas\u00ecna. " }, { "verse": 36, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:36", "text": "Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan\u2019 ny Vavolombelona ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho mas\u00ecna indrindra ho anareo izany. " }, { "verse": 37, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:37", "text": "Ary ny amin\u2019 ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho mas\u00ecna aminao ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 38, "chapter": 30, "name": "Exodus 30:38", "text": "Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " } ] }, { "chapter": 31, "name": "Exodus 31", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:2", "text": "Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak\u2019 i Ory, zanak\u2019 i Hora, avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda; " }, { "verse": 3, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:3", "text": "ary efa nofenoiko fanahin\u2019 Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin\u2019 ny tao-zavatra samy hafa: " }, { "verse": 4, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:4", "text": "dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina " }, { "verse": 5, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:5", "text": "sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa. " }, { "verse": 6, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:6", "text": "Ary, indro, Izaho efa nanome an\u2019 i Oholiaba, zanak\u2019 i Ahisamaka, avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Dana, ho namany; ary ny fon\u2019 izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao: " }, { "verse": 7, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:7", "text": "dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay. " }, { "verse": 8, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:8", "text": "sy ny latabatra mbamin\u2019 ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra " }, { "verse": 9, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:9", "text": "sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany. " }, { "verse": 10, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:10", "text": "ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana mas\u00ecna ho an\u2019 i Arona mpisorona sy ny fitafian\u2019 ny zanany ho entiny misorona, " }, { "verse": 11, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:11", "text": "ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon\u2019 ireo. " }, { "verse": 12, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:12", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 13, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:13", "text": "Ary dia milaza amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamas\u00ecna anareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:14", "text": "Koa tandremo ny Sabata, fa mas\u00ecna aminareo izany; izay tsy manamas\u00ecna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin\u2019 izany dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 15, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:15", "text": "Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin\u2019 ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. " }, { "verse": 16, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:16", "text": "Dia hotandreman\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin\u2019 ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. " }, { "verse": 17, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:17", "text": "Ho famantarana amiko sy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mandrakizay izany; fa tamin\u2019 ny henemana no nanaovan\u2019 i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin\u2019 ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. " }, { "verse": 18, "chapter": 31, "name": "Exodus 31:18", "text": " Ary rehefa vita ny teny nataony tamin\u2019 i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-t\u00e0nan\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 32, "name": "Exodus 32", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:1", "text": " Ary rehefa hitan\u2019 ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin\u2019 i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy, " }, { "verse": 2, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:2", "text": "Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin\u2019 ny sofin\u2019 ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento et\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 3, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:3", "text": "Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin\u2019 ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin\u2019 i Arona. " }, { "verse": 4, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:4", "text": "Ary izy nandray azy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny olona, dia namboatra azy tamin\u2019 ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:5", "text": "Ary raha hitan\u2019 i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an\u2019 i Jehovah rahampitso. " }, { "verse": 6, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:6", "text": "Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao. " }, { "verse": 7, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:7", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mandehana mid\u00ecna ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 8, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:8", "text": "Nalaky nivily niala tamin\u2019 ny lal\u00e0na izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 9, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:9", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:10", "text": "Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:11", "text": "Fa Mosesy nifona tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah \u00f4, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin\u2019 ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta tamin\u2019 ny hery lehibe sy ny tanana mahery? " }, { "verse": 12, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:12", "text": "Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin\u2019 ny tany? Mial\u00e0 amin\u2019 ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin\u2019 ny loza izay hanjo ny olonao. " }, { "verse": 13, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:13", "text": "Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin\u2019 ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay. " }, { "verse": 14, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:14", "text": "Ary Jehovah dia nanenina ny amin\u2019 ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony. " }, { "verse": 15, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:15", "text": "Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-t\u00e0nany; ny vato fisaka nosoratana teo amin\u2019 ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra. " }, { "verse": 16, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:16", "text": "Ary ny vato fisaka dia asan\u2019 Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr\u2019 Andriamanitra, voasoratra teo amin\u2019 ny vato fisaka. " }, { "verse": 17, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:17", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Josoa ny fitabataban\u2019 ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin\u2019 i Mosesy: Misy tabataban\u2019 ady atsy an-toby. " }, { "verse": 18, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:18", "text": "Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian\u2019 ny mahery na feo fitomanian\u2019 ny resy no reko, fa feon\u2019 ny mihira. " }, { "verse": 19, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:19", "text": "Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran\u2019 i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-t\u00e0nany ka novakivakiny teo am-bodin\u2019 ny tendrombohitra. " }, { "verse": 20, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:20", "text": "Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon\u2019 ny olona ka nodorany tamin\u2019 ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin\u2019 ny rano ka nampisotroiny ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 21, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:21", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona: Inona no nataon\u2019 ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy? " }, { "verse": 22, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:22", "text": "Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy; " }, { "verse": 23, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:23", "text": "ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:24", "text": "Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka. " }, { "verse": 25, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:25", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin\u2019 izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak\u2019 i Arona ho fanakorana eo amin\u2019 ny fahavalony izy, " }, { "verse": 26, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:26", "text": "dia nijanona teo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an\u2019 i Jehovah mankanesa et\u1ef3 amiko. Ary ny taranak\u2019 i Levy rehetra niangona teo aminy. " }, { "verse": 27, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:27", "text": "Dia hoy izy taminy: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin\u2019 isam-bavahadin\u2019 ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo. " }, { "verse": 28, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:28", "text": "Dia nanao araka ny tenin\u2019 i Mosesy ny taranak\u2019 i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 29, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:29", "text": "Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manok\u00e0na ny tenanareo ho an\u2019 i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio. " }, { "verse": 30, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:30", "text": " Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin\u2019 ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin\u2019 i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin\u2019 ny fahotanareo. " }, { "verse": 31, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:31", "text": "Ary Mosesy dia niverina ho ao amin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. " }, { "verse": 32, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:32", "text": "Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin\u2019 ny bokinao izay nosoratanao ny anarako. " }, { "verse": 33, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:33", "text": "Fa hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin\u2019 ny bokiko. " }, { "verse": 34, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:34", "text": "Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin\u2019 izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin\u2019 izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho. " }, { "verse": 35, "chapter": 32, "name": "Exodus 32:35", "text": "Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon\u2019 i Arona. " } ] }, { "chapter": 33, "name": "Exodus 33", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala at\u1ef3 ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, ho amin\u2019 ny tany izay nianianako tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:2", "text": "Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita), " }, { "verse": 3, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:3", "text": "dia ho amin\u2019 izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:4", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony. " }, { "verse": 5, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:5", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao. " }, { "verse": 6, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:6", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba. " }, { "verse": 7, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:7", "text": " Ary fanaon\u2019 i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan\u2019 ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an\u2019 i Jehovah dia nivoaka ho eny amin\u2019 ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan\u2019 ny toby. " }, { "verse": 8, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:8", "text": "Ary raha nivoaka ho eo amin\u2019 ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny lainy avy, dia nitazana an\u2019 i Mosesy mandra-pahatongany ao amin\u2019 ny lay. " }, { "verse": 9, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:9", "text": "Ary raha niditra tao amin\u2019 ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 10, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:10", "text": "Ary hitan\u2019 ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny lainy avy. " }, { "verse": 11, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:11", "text": "Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin\u2019 i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin\u2019 ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin\u2019 ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak\u2019 i Nona, tsy niala tamin\u2019 ny lay. " }, { "verse": 12, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:12", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao. " }, { "verse": 13, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:13", "text": "Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity. " }, { "verse": 14, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:14", "text": "Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho. " }, { "verse": 15, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:15", "text": "Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala at\u1ef3. " }, { "verse": 16, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:16", "text": "Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin\u2019 ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin\u2019 ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao. " }, { "verse": 17, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:17", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho. " }, { "verse": 18, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:18", "text": "Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. " }, { "verse": 19, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:19", "text": "Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran\u2019 i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin\u2019 izay hamindrako fo. " }, { "verse": 20, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:20", "text": "Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. " }, { "verse": 21, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:21", "text": "Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin\u2019 ny harambato ianao; " }, { "verse": 22, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:22", "text": "koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko. " }, { "verse": 23, "chapter": 33, "name": "Exodus 33:23", "text": "Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita. " } ] }, { "chapter": 34, "name": "Exodus 34", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:1", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin\u2019 ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin\u2019 ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; " }, { "verse": 2, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:2", "text": "ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin\u2019 ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon\u2019 ny tendrombohitra. " }, { "verse": 3, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:3", "text": "Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin\u2019 ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman\u2019 osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin\u2019 izany tendrombohitra izany " }, { "verse": 4, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:4", "text": "Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin\u2019 ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah azy; ary nentiny teny an-t\u00e0nany ny vato fisaka roa. " }, { "verse": 5, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:5", "text": "Ary Jehovah nidina tao anatin\u2019 ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:6", "text": "Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana, " }, { "verse": 7, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:7", "text": "mitahiry famindram-po ho an\u2019 ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin\u2019 ny zanaka sy ny zafy hatramin\u2019 ny zafiafy sy ny zafindohalika. " }, { "verse": 8, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:8", "text": "Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin\u2019 ny tany ka niankohoka; " }, { "verse": 9, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:9", "text": "dia hoy izy: Tompo \u00f4, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo \u00f4, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamel\u00e0 ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay. " }, { "verse": 10, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:10", "text": "Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan\u2019 ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin\u2019 ny tany rehetra sy tany amin\u2019 ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan\u2019 i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin\u2019 ny fiombako anao. " }, { "verse": 11, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:11", "text": "Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. " }, { "verse": 12, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:12", "text": "Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin\u2019 ny mponina eo amin\u2019 ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:13", "text": "Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany. " }, { "verse": 14, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:14", "text": "Fa tsy hiankohoka eo anatrehan\u2019 izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, " }, { "verse": 15, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:15", "text": "fandrao ianao hanao fanekena amin\u2019 ny mponina eo amin\u2019 ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin\u2019 ny fanatiny; " }, { "verse": 16, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:16", "text": "ary andrao koa haka amin\u2019 ny zananivavy ho vadin\u2019 ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny. " }, { "verse": 17, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:17", "text": "Aza manao andriamanitra an-idina ho anao. " }, { "verse": 18, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:18", "text": "Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin\u2019 ny fotoan\u2019 andro amin\u2019 ny volana Abiba, fa tamin\u2019 ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta. " }, { "verse": 19, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:19", "text": "Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin\u2019 ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman\u2019 osy; " }, { "verse": 20, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:20", "text": "fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak\u2019 ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin\u2019 ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. " }, { "verse": 21, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:21", "text": "Henemana no hiasanao, fa amin\u2019 ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin\u2019 ny taom-pamafazana sy amin\u2019 ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao. " }, { "verse": 22, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:22", "text": "Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin\u2019 ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin\u2019 ny fanangonana amin\u2019 ny fitsingerenan\u2019 ny taona. " }, { "verse": 23, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:23", "text": "Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan\u2019 i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 24, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:24", "text": "Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao. " }, { "verse": 25, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:25", "text": "Aza manatitra ny ran\u2019 ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin\u2019 ny andro firavoravoana amin\u2019 ny Paska. " }, { "verse": 26, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:26", "text": "Ny santatra amin\u2019 ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak\u2019 osy amin\u2019 ny rononon-dreniny. " }, { "verse": 27, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:27", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 28, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:28", "text": "Dia teo amin\u2019 i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny vato fisaka ny tenin\u2019 ny fanekena, dia ny Didy Folo. " }, { "verse": 29, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:29", "text": "Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-t\u00e0nany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin\u2019 izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. " }, { "verse": 30, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:30", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Arona sy ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:31", "text": "Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan\u2019 ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy. " }, { "verse": 32, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:32", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain\u2019 i Jehovah taminy tao amin\u2019 ny tendrombohitra Sinay. " }, { "verse": 33, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:33", "text": "Ary rehefa vita ny teny nataon\u2019 i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany. " }, { "verse": 34, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:34", "text": "Ary raha niditra teo anatrehan\u2019 i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izay efa nandidiana azy. " }, { "verse": 35, "chapter": 34, "name": "Exodus 34:35", "text": "Ary hitan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny tavan\u2019 i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron\u2019 i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray. " } ] }, { "chapter": 35, "name": "Exodus 35", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:1", "text": " Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian\u2019 i Jehovah hatao: " }, { "verse": 2, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:2", "text": "Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho mas\u00ecna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an\u2019 i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin\u2019 izany dia hatao maty. " }, { "verse": 3, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:3", "text": "Aza mampirehitra afo amin\u2019 ny andro Sabata any amin\u2019 izay rehetra itoeranareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:4", "text": "Ary Mosesy niteny tamin\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 5, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:5", "text": "Manal\u00e0 ao aminareo fanatitra ho an\u2019 i Jehovah: izay rehetra amporisihin\u2019 ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an\u2019 i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina, " }, { "verse": 6, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:6", "text": "ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon\u2019 osy " }, { "verse": 7, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:7", "text": "sy hoditr\u2019 ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia, " }, { "verse": 8, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:8", "text": "sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin\u2019 ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona, " }, { "verse": 9, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:9", "text": "ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin\u2019 ny efoda sy ho amin\u2019 ny saron-tratra. " }, { "verse": 10, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:10", "text": "Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 11, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:11", "text": "dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany, " }, { "verse": 12, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:12", "text": "ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana, " }, { "verse": 13, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:13", "text": "ary ny latabatra sy ny baony mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho, " }, { "verse": 14, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:14", "text": "ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin\u2019 ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana, " }, { "verse": 15, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:15", "text": "ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny tabernakely, " }, { "verse": 16, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:16", "text": "ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany, " }, { "verse": 17, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:17", "text": "ary ny fefy lamba ho amin\u2019 ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja, " }, { "verse": 18, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:18", "text": "ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny, " }, { "verse": 19, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:19", "text": "ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna sy ny fitafiana mas\u00ecna ho an\u2019 i Arona mpisorona ary ny fitafian\u2019 ny zanany ho entiny misorona. " }, { "verse": 20, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:20", "text": "Dia niala teo anatrehan\u2019 i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:21", "text": "Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin\u2019 ny fony, ary izay rehetra namporisihin\u2019 ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an\u2019 i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana mas\u00ecna. " }, { "verse": 22, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:22", "text": "Dia nanatona ny lehilahy mbamin\u2019 ny vehivavy rehetra izay namporisihin\u2019 ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:23", "text": "Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon\u2019 osy sy hoditr\u2019 ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:24", "text": "Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an\u2019 i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin\u2019 ny fanompoana dia nitondra azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:25", "text": "Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin\u2019 ny t\u00e0nany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika. " }, { "verse": 26, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:26", "text": "Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin\u2019 ny fony tamin\u2019 ny fahendrena dia namoly ny volon\u2019 osy. " }, { "verse": 27, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:27", "text": "Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin\u2019 ny efoda sy ho amin\u2019 ny saron-tratra, " }, { "verse": 28, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:28", "text": "ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin\u2019 ny diloilo fanosorana ary ho amin\u2019 ny ditin-kazo mani-pofona. " }, { "verse": 29, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:29", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an\u2019 i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin\u2019 ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy hatao. " }, { "verse": 30, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:30", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: Indro, efa notononin\u2019 i Jehovah anarana Bezalila, zanak\u2019 i Ory, zanak\u2019 i Hora, avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda, " }, { "verse": 31, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:31", "text": "ka efa nofenoiny fanahin\u2019 Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin\u2019 ny tao-zavatra samy hafa, " }, { "verse": 32, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:32", "text": "dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina, " }, { "verse": 33, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:33", "text": "ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra. " }, { "verse": 34, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:34", "text": "Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon\u2019 Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak\u2019 i Ahisamaka avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Dana. " }, { "verse": 35, "chapter": 35, "name": "Exodus 35:35", "text": "Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an\u2019 ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an\u2019 ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin\u2019 ny manga sy volomparasy sy mena ary amin\u2019 ny rongony fotsy madinika ary ny an\u2019 ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto. " } ] }, { "chapter": 36, "name": "Exodus 36", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:1", "text": "Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen\u2019 i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin\u2019 ny fanompoana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, araka izay rehetra nandidian\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 2, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:2", "text": "Ary Mosesy dia nampaka an\u2019 i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian\u2019 i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin\u2019 ny fony hankeo amin\u2019 ny asa hanao azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:3", "text": "Ary izy ireo dia nandray tamin\u2019 i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hanaovana ny asa amin\u2019 ny fanompoana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 4, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:4", "text": "Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, samy niala tamin\u2019 ny asany izay nataony avy, " }, { "verse": 5, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:5", "text": "ka niteny tamin\u2019 i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin\u2019 ny asa nandidian\u2019 i Jehovah hatao. " }, { "verse": 6, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:6", "text": "Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran\u2019 ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony; " }, { "verse": 7, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:7", "text": "fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza. " }, { "verse": 8, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:8", "text": " Ary ny hendry rehetra teo amin\u2019 izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin\u2019 ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan\u2019 ny mpanenona mahay, no nataony sorany. " }, { "verse": 9, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:9", "text": "Ny halavan\u2019 ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan\u2019 ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:10", "text": "Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray. " }, { "verse": 11, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:11", "text": "Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin\u2019 ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin\u2019 ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin\u2019 ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin\u2019 ny anankiray efa voavitrana koa. " }, { "verse": 12, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:12", "text": "Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin\u2019 ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin\u2019 ny sisin\u2019 ny ambainy izay amin\u2019 ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana. " }, { "verse": 13, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:13", "text": "Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin\u2019 ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely. " }, { "verse": 14, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:14", "text": "Ary nanao ambainy koa tamin\u2019 ny volon\u2019 osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin\u2019 ny folo ambainy no nanaovany azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:15", "text": "Ny halavan\u2019 ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan\u2019 ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin\u2019 ny folo. " }, { "verse": 16, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:16", "text": "Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. " }, { "verse": 17, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:17", "text": "Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an-tsisin\u2019 ny ambainy iray izay farany amin\u2019 ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin\u2019 ny ambainy iray amin\u2019 ny anankiray koa efa voavitrana. " }, { "verse": 18, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:18", "text": "Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray. " }, { "verse": 19, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:19", "text": "Ary nanao rakotry ny lay tamin\u2019 ny hoditr\u2019 ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny. " }, { "verse": 20, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:20", "text": "Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin\u2019 ny tabernakely izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:21", "text": "Folo hakiho ny hahavon\u2019 ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben\u2019 ny zana-kazo iray. " }, { "verse": 22, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:22", "text": "Ary lahiny roa no amin\u2019 ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 23, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:23", "text": "Ary nanao ny zana-kazo ho amin\u2019 ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin\u2019 ny lafiny atsimo. " }, { "verse": 24, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:24", "text": "Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin\u2019 ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin\u2019 ny isan-janakazo hiorenan\u2019 ny lahiny roa. " }, { "verse": 25, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:25", "text": "Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin\u2019 ny lafiny faharoa amin\u2019 ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra. " }, { "verse": 26, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:26", "text": "Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin\u2019 ny isan-janakazo. " }, { "verse": 27, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:27", "text": "Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin\u2019 ny lafin\u2019 ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony. " }, { "verse": 28, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:28", "text": "Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin\u2019 ny zoron\u2019 ny tabernakely tamin\u2019 ny lafiny ivoho izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:29", "text": "Ary nakambana ho iray izy hatramin\u2019 ny ambany ka hatramin\u2019 ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin\u2019 ny zorony roa. " }, { "verse": 30, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:30", "text": "Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin\u2019 ny folo: faladia roa avy ho ambanin\u2019 ny isan-janakazo iray. " }, { "verse": 31, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:31", "text": "Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin\u2019 ny zana-kazo amin\u2019 ny lafiny iray amin\u2019 ny tabernakely, " }, { "verse": 32, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:32", "text": "sy barany dimy ho amin\u2019 ny zana-kazo amin\u2019 ny lafiny iray koa amin\u2019 ny tabernakely, ary barany dimy ho amin\u2019 ny zana-kazo amin\u2019 ny lafiny andrefana izay ao ivohony. " }, { "verse": 33, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:33", "text": "Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan\u2019 ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa. " }, { "verse": 34, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:34", "text": "Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran\u2019 ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany. " }, { "verse": 35, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:35", "text": "Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan\u2019 ny mpanenona mahay, no nataony sorany. " }, { "verse": 36, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:36", "text": "Ary nanao andry efatra tamin\u2019 ny hazo akasia izy hihantonan\u2019 izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy\u2019 hiorenany. " }, { "verse": 37, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:37", "text": "Ary nanao varavarana lamba ho eo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny lay izy, dia tamin\u2019 ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan\u2019 ny mahay tenona samy hafa soratra. " }, { "verse": 38, "chapter": 36, "name": "Exodus 36:38", "text": "Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina. " } ] }, { "chapter": 37, "name": "Exodus 37", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:1", "text": "Ary Bezalila nanao ny fiara tamin\u2019 ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony; " }, { "verse": 2, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:2", "text": "ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina. " }, { "verse": 3, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:3", "text": "Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin\u2019 ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin\u2019 ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin\u2019 ny lafiny iray koa. " }, { "verse": 4, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:4", "text": "Ary nanao bao tamin\u2019 ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena. " }, { "verse": 5, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:5", "text": "Ary nampidiriny ny bao ho eo amin\u2019 ny vava vola, izay eo amin\u2019 ny lafin\u2019 ny fiara, hilanjana azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:6", "text": "Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin\u2019 ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. " }, { "verse": 7, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:7", "text": "Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin\u2019 ny lohany roa amin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana: " }, { "verse": 8, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:8", "text": "dia ny kerobima iray nataony teo amin\u2019 ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin\u2019 ny sakany anankiray: indray mivofy tamin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin\u2019 ny sakany roa. " }, { "verse": 9, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:9", "text": "Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan\u2019 ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:10", "text": "Ary nanao ny latabatra tamin\u2019 ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. " }, { "verse": 11, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:11", "text": "Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:12", "text": "Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina. " }, { "verse": 13, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:13", "text": "Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin\u2019 ny zorony efatra, izay eo amin\u2019 ny tongony efatra, ireo: " }, { "verse": 14, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:14", "text": "eo akaikin\u2019 ny sisiny no nisian\u2019 ny vava vola ho fitoeran\u2019 ny bao hilanjana ny latabatra. " }, { "verse": 15, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:15", "text": "Ary nanao ny bao tamin\u2019 ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena. " }, { "verse": 16, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:16", "text": "Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin\u2019 ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo. " }, { "verse": 17, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:17", "text": "Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin\u2019 ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny. " }, { "verse": 18, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:18", "text": "Ary nisy sampany enina tamin\u2019 ny ankilany roa, dia sampany telo tamin\u2019 ny fanaovan-jiro amin\u2019 ny ankilany iray, ary sampany telo tamin\u2019 ny fanaovan-jiro amin\u2019 ny ankilany iray koa; " }, { "verse": 19, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:19", "text": "teo amin\u2019 ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin\u2019 ny amygdala, mbamin\u2019 ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin\u2019 ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin\u2019 ny amygdala, mbamin\u2019 ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin\u2019 ny sampany enina tamin\u2019 ny fanaovan-jiro. " }, { "verse": 20, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:20", "text": "Ary teo amin\u2019 ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin\u2019 ny amygdala, mbamin\u2019 ny kiboriny sy ny voniny, " }, { "verse": 21, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:21", "text": "dia kiboriny iray eo ambanin\u2019 ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin\u2019 ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin\u2019 ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin\u2019 ny sampany enina izay miray amin\u2019 ny fanaovan-jiro. " }, { "verse": 22, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:22", "text": "Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin\u2019 ny volamena tsara izy rehetra. " }, { "verse": 23, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:23", "text": "Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin\u2019 ny volamena tsara izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:24", "text": "Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:25", "text": "Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin\u2019 ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony. " }, { "verse": 26, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:26", "text": "Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina. " }, { "verse": 27, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:27", "text": "Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin\u2019 ny koronosiny, ka nataony teo amin\u2019 ny zorony efatra ireo ho fitoeran\u2019 ny bao hilanjana azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:28", "text": "Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena. " }, { "verse": 29, "chapter": 37, "name": "Exodus 37:29", "text": "Ary nanao ny diloilo fanosorana mas\u00ecna izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan\u2019 ny mpangaroharo zava-manitra. " } ] }, { "chapter": 38, "name": "Exodus 38", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:1", "text": "Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin\u2019 ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. " }, { "verse": 2, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:2", "text": "Ary nanao ny tandrony teo amin\u2019 ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:3", "text": "Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron\u2019 afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran\u2019 afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:4", "text": "Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin\u2019 ny alitara izy, dia eo ambanin\u2019 ny sikiny, hatreo am-bodin\u2019 ny alitara ka hatreo amin\u2019 ny fisasahany. " }, { "verse": 5, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:5", "text": "Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin\u2019 ny makarakara varahina izy ho fitoeran\u2019 ny bao. " }, { "verse": 6, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:6", "text": "Ary nanao ny bao tamin\u2019 ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina. " }, { "verse": 7, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:7", "text": "Ary nampiditra ny bao teo amin\u2019 ny vava vola teo amin\u2019 ny lafiny roa amin\u2019 ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty. " }, { "verse": 8, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:8", "text": "Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin\u2019 ny fitaratra varahin\u2019 ny vehivavy izay nanompo teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 9, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:9", "text": "Ary nanao ny kianja izy: tamin\u2019 ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin\u2019 ny kianja natao tamin\u2019 ny rongony fotsy madinika voahasina; " }, { "verse": 10, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:10", "text": "ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin\u2019 ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. " }, { "verse": 11, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:11", "text": "Ary tamin\u2019 ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin\u2019 ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. " }, { "verse": 12, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:12", "text": "Ary tamin\u2019 ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin\u2019 ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. " }, { "verse": 13, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:13", "text": "Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho. " }, { "verse": 14, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:14", "text": "Ary nisy fefy lamba dimy ambin\u2019 ny folo hakiho tamin\u2019 ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany. " }, { "verse": 15, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:15", "text": "Ary nisy fefy lamba dimy ambin\u2019 ny folo hakiho tamin\u2019 ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany; " }, { "verse": 16, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:16", "text": "Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban\u2019 ny kianja manodidina. " }, { "verse": 17, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:17", "text": "Ary ny faladian\u2019 ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin\u2019 ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin\u2019 ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa. " }, { "verse": 18, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:18", "text": "Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin\u2019 ny kianja dia asan\u2019 ny mahay tenona samy hafa soratra tamin\u2019 ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin\u2019 ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon\u2019 ny fefy lamban\u2019 ny kianja. " }, { "verse": 19, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:19", "text": "Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin\u2019 ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa. " }, { "verse": 20, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:20", "text": "Ary ny tsimatra amin\u2019 ny tabernakely sy amin\u2019 ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa. " }, { "verse": 21, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:21", "text": " Ary izao no isan\u2019 ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin\u2019 ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin\u2019 i Mosesy; natao fanompoan\u2019 ny Levita, fehin\u2019 Itamara, zanak\u2019 i Arona mpisorona, ny nanisa azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:22", "text": "Ary Bezalila, zanak\u2019 i Ory, zanak\u2019 i Hora, avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda, nanao izay rehetra nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 23, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:23", "text": "Ary ny namany dia Oholiaba, zanak\u2019 i Ahisamaka, avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin\u2019 ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika. " }, { "verse": 24, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:24", "text": "Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely mas\u00ecna, ny volamena rehetra izay lany tamin\u2019 ny asa rehetra tamin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva. " }, { "verse": 25, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:25", "text": "Ary ny volafotsy avy tamin\u2019 ny olona izay voaisa tamin\u2019 ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely mas\u00ecna: " }, { "verse": 26, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:26", "text": "beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely mas\u00ecna, no naloan\u2019 izay rehetra voalamina, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy. " }, { "verse": 27, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:27", "text": "Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna sy ny faladian\u2019 ny efitra lamba: dia faladia zato tamin\u2019 ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray. " }, { "verse": 28, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:28", "text": "Ary tamin\u2019 ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin\u2019 ny andry, sy nametahana takela-bola tamin\u2019 ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany. " }, { "verse": 29, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:29", "text": "Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo. " }, { "verse": 30, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:30", "text": "Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara, " }, { "verse": 31, "chapter": 38, "name": "Exodus 38:31", "text": "ary ny faladia tamin\u2019 ny kianja manodidina sy ny faladia tamin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin\u2019 ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin\u2019 ny kianja manodidina. " } ] }, { "chapter": 39, "name": "Exodus 39", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, ary nanao ny fitafiana mas\u00ecna ho an\u2019 i Arona izy, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 2, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:2", "text": "Ary nanao ny efoda tamin\u2019 ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:3", "text": "Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin\u2019 ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan\u2019 ny mpanenona mahay. " }, { "verse": 4, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:4", "text": "Ary nataony nisy soroka roa avy amin\u2019 ny sisiny roa hampikambanana azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:5", "text": "Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 6, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:6", "text": "Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 7, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:7", "text": "Ary nataony teo amin\u2019 ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 8, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:8", "text": "Ary nanao ny saron-tratra tamin\u2019 ny asan\u2019 ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina. " }, { "verse": 9, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:9", "text": "Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:10", "text": "Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda; " }, { "verse": 11, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:11", "text": "ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa; " }, { "verse": 12, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:12", "text": "ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta; " }, { "verse": 13, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:13", "text": "ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy. " }, { "verse": 14, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:14", "text": "Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia roa ambin\u2019 ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin\u2019 ny fanombohan-kase ho an\u2019 ny firenena roa ambin\u2019 ny folo araka ny anarany avy. " }, { "verse": 15, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:15", "text": "Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin\u2019 ny saron-tratra izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:16", "text": "Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin\u2019 ny zorony roa ambony amin\u2019 ny saron-tratra. " }, { "verse": 17, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:17", "text": "Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin\u2019 ny vava vola roa izay amin\u2019 ny zorony roa ambany amin\u2019 ny saron-tratra. " }, { "verse": 18, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:18", "text": "Ary ny lanin\u2019 ny tady roa dia nataony teo amin\u2019 ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin\u2019 ny soroky ny efoda anoloana. " }, { "verse": 19, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:19", "text": "Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin\u2019 ny zorony roa ambany amin\u2019 ny saron-tratra, dia amin\u2019 ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda. " }, { "verse": 20, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:20", "text": "Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin\u2019 ny soroka roa amin\u2019 ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin\u2019 ny fikambanany, eo ambonin\u2019 ny fehin-kibo momba ny efoda. " }, { "verse": 21, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:21", "text": "Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan\u2019 ny saron-tratra tamin\u2019 ny vava volan\u2019 ny efoda, mba ho eo ambonin\u2019 ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 22, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:22", "text": "Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan\u2019 ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa. " }, { "verse": 23, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:23", "text": "Ary ny vozon\u2019 ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon\u2019 ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:24", "text": "Ary teo amin\u2019 ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin\u2019 ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena voahasina; " }, { "verse": 25, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:25", "text": "ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan\u2019 ny ampongabendanitra tamin\u2019 ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan\u2019 ny ampongabendanitra): " }, { "verse": 26, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:26", "text": "dia famohamandry sy sarin\u2019 ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin\u2019 ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 27, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:27", "text": "Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan\u2019 ny mpanenona, ho an\u2019 i Arona sy ny zanany. " }, { "verse": 28, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:28", "text": "Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina. " }, { "verse": 29, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:29", "text": "Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan\u2019 ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 30, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:30", "text": "Ary ny takelaka ho eo amin\u2019 ny diadema mas\u00ecna dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin\u2019 ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN\u2019 I JEHOVAH. " }, { "verse": 31, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:31", "text": "Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin\u2019 ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 32, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:32", "text": "Ary vita ny asa rehetra tamin\u2019 ny tabernakelin\u2019 ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak\u2019 Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 33, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:33", "text": "Dia nentiny teo amin\u2019 i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, " }, { "verse": 34, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:34", "text": "ary ny firakotra hoditr\u2019 ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana, " }, { "verse": 35, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:35", "text": "ary ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana, " }, { "verse": 36, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:36", "text": "ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho, " }, { "verse": 37, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:37", "text": "ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana, " }, { "verse": 38, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:38", "text": "ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay, " }, { "verse": 39, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:39", "text": "ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany, " }, { "verse": 40, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:40", "text": "ary ny fefy lamban\u2019 ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin\u2019 ny trano-lay fihaonana, " }, { "verse": 41, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:41", "text": "ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ho an\u2019 i Arona mpisorona sy ny fitafian\u2019 ny zanany ho entiny manao fisoronana. " }, { "verse": 42, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:42", "text": "Araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy, dia toy izany no nanaovan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny asa rehetra. " }, { "verse": 43, "chapter": 39, "name": "Exodus 39:43", "text": "Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian\u2019 i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy. " } ] }, { "chapter": 40, "name": "Exodus 40", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:2", "text": "Amin\u2019 ny andro voalohany amin\u2019 ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 3, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:3", "text": "Ary ataovy ao ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona; dia ahant\u00f2ny ny efitra lamba hanakona ny fiara. " }, { "verse": 4, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:4", "text": "Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro. " }, { "verse": 5, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:5", "text": "Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 6, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:6", "text": "Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan\u2019 ny tabernakelin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 7, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:7", "text": "Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan\u2019 ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny. " }, { "verse": 8, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:8", "text": "Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahant\u00f2ny ny vavahady lamba eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja. " }, { "verse": 9, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:9", "text": "Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho mas\u00ecna izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:10", "text": "Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho mas\u00ecna indrindra izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:11", "text": "Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:12", "text": "Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin\u2019 ny rano izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:13", "text": "Ary ampiakanjoy an\u2019 i Arona ny fitafiana mas\u00ecna, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:14", "text": "Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. " }, { "verse": 15, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:15", "text": "Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin\u2019 ny taranany fara mandimby. " }, { "verse": 16, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:16", "text": "Dia nataon\u2019 i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah azy no nataony. " }, { "verse": 17, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:17", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana voalohany tamin\u2019 ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely. " }, { "verse": 18, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:18", "text": "Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny. " }, { "verse": 19, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:19", "text": "Ary namelatra ny lay teo ambonin\u2019 ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 20, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:20", "text": "Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin\u2019 ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin\u2019 ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin\u2019 ny fiara. " }, { "verse": 21, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:21", "text": "Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin\u2019 ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 22, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:22", "text": "Ary ny latabatra dia napetrany teo amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, dia teo amin\u2019 ny lafin\u2019 ny tabernakely avaratra, teo ivelan\u2019 ny efitra lamba. " }, { "verse": 23, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:23", "text": "Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 24, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:24", "text": "Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, tandrifin\u2019 ny latabatra, teo amin\u2019 ny lafin\u2019 ny tabernakely atsimo. " }, { "verse": 25, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:25", "text": "Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 26, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:26", "text": "Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, teo anoloan\u2019 ny efitra lamba; " }, { "verse": 27, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:27", "text": "ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 28, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:28", "text": "Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny tabernakely; " }, { "verse": 29, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:29", "text": "ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny tabernakelin\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 30, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:30", "text": "Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan\u2019 ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana. " }, { "verse": 31, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:31", "text": "Ary teo no nanasan\u2019 i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-t\u00e0nany. " }, { "verse": 32, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:32", "text": "Raha niditra tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 33, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:33", "text": "Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja. Dia vitan\u2019 i Mosesy ny asa rehetra. " }, { "verse": 34, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:34", "text": "Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr\u2019 i Jehovah nameno ny tabernakely. " }, { "verse": 35, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:35", "text": "Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr\u2019 i Jehovah nameno ny tabernakely. " }, { "verse": 36, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:36", "text": "Ary raha niakatra niala tamin\u2019 ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny nandehanany rehetra; " }, { "verse": 37, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:37", "text": "fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin\u2019 izay andro hiakarany. " }, { "verse": 38, "chapter": 40, "name": "Exodus 40:38", "text": "Fa ny rahon\u2019 i Jehovah dia teo ambonin\u2019 ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely rehetra, tamin\u2019 ny nandehanany rehetra. " } ] } ] }, { "name": "Leviticus", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Leviticus 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:1", "text": " Ary Jehovah niantso an\u2019 i Mosesy ka niteny taminy tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an\u2019 i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:3", "text": "Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:4", "text": "Ary hametraka ny t\u00e0nany eo amin\u2019 ny lohan\u2019 ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:5", "text": "Dia hamono ny zanak\u2019 omby eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak\u2019 i Arona, dia hanatitra ny r\u00e0 ka hanopy azy manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara, izay eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana; " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:6", "text": "ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:7", "text": "Ary ireo zanak\u2019 i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin\u2019 ny alitara ka handahatra kitay eo amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:8", "text": "Ary ireo mpisorona, zanak\u2019 i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin\u2019 ny lohany sy ny saborany eo ambonin\u2019 ny kitay eo amin\u2019 ny afo izay eo ambonin\u2019 ny alitara; " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:9", "text": "fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin\u2019 ny rano; dia hodoran\u2019 ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin\u2019 ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:10", "text": "Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:11", "text": "Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak\u2019 i Arona, dia hanopy ny r\u00e0 manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:12", "text": "Dia horasainy tsara izy mbamin\u2019 ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin\u2019 ny kitay izy eo amin\u2019 ny afo izay eo ambonin\u2019 ny alitara; " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:13", "text": "fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin\u2019 ny rano; dia ho entin\u2019 ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:14", "text": "Ary raha vorona no ateriny ho an\u2019 i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:15", "text": "Ary haterin\u2019 ny mpisorona ho eo amin\u2019 ny alitara izany, ka hotapahiny amin\u2019 ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara, ary hofiazany eo amin\u2019 ny rindrin\u2019 ny alitara ny r\u00e0ny; " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:16", "text": "ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan\u2019 ny alitara, dia eo amin\u2019 ny fitoeran-davenona; " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Leviticus 1:17", "text": "ary hosamahany amin\u2019 ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara, ambonin\u2019 ny kitay izay eo amin\u2019 ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Leviticus 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:1", "text": " Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an\u2019 i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:2", "text": "Ary hitondra azy ho amin\u2019 ireo mpisorona, zanak\u2019 i Arona, izy, dia handraofan\u2019 ireo eran-t\u00e0nan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin\u2019 ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran\u2019 ny mpisorona ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:3", "text": "Ary ny sisa amin\u2019 ny fanatitra hohanina dia ho an\u2019 i Arona sy ny zanany; ho mas\u00ecna dia mas\u00ecna avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:4", "text": "Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin\u2019 ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin\u2019 ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:5", "text": "Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin\u2019 ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:6", "text": "Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:7", "text": "Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin\u2019 ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:8", "text": "Ary ho entinao ho an\u2019 i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin\u2019 ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin\u2019 ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:9", "text": "Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin\u2019 ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara; dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:10", "text": "Ary ny sisa amin\u2019 ny fanatitra hohanina dia ho an\u2019 i Arona sy ny zanany; ho mas\u00ecna dia mas\u00ecna avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:11", "text": "Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an\u2019 i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:12", "text": "fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an\u2019 i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin\u2019 ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:13", "text": "Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran\u2019 ny faneken\u2019 Andriamanitrao dia aza atsahatra amin\u2019 ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin\u2019 ny fanatitrao rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:14", "text": "Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an\u2019 i Jehovah avy amin\u2019 ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin\u2019 ny afo, dia lango avy amin\u2019 ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin\u2019 ny voaloham-bokatrao. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:15", "text": "Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Leviticus 2:16", "text": "Ary hodoran\u2019 ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin\u2019 ny langony sy avy amin\u2019 ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah izany. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Leviticus 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:1", "text": " Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:2", "text": "Ary hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak\u2019 i Arona, hanopy ny r\u00e0 manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:3", "text": "Dia hangalan\u2019 ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:4", "text": "sy ny voany roa mbamin\u2019 ny fonom-boany, izay eo amin\u2019 ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin\u2019 ny voany no fanaisony izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:5", "text": "Ary ireo zanak\u2019 i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara miaraka amin\u2019 ny fanatitra dorana izay eo ambonin\u2019 ny kitay eo amin\u2019 ny afo; dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:6", "text": "Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an\u2019 i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:7", "text": "Raha zanak\u2019 ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:8", "text": "Ary hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak\u2019 i Arona hanopy ny r\u00e0 manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:9", "text": "Ary hangalan\u2019 ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin\u2019 ny faran\u2019 ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:10", "text": "ary ny voany roa mbamin\u2019 ny fonom-boany, izay eo amin\u2019 ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin\u2019 ny voany no fanaisony izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:11", "text": "Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara; hanina avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:12", "text": "Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:13", "text": "Ary hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak\u2019 i Arona dia hanopy ny r\u00e0 manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:14", "text": "Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:15", "text": "ary ny voany roa mbamin\u2019 ny fonom-boany, izay eo amin\u2019 ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin\u2019 ny voany no fanaisony izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:16", "text": "Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara; hanina avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an\u2019 i Jehovah ny sabora rehetra. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Leviticus 3:17", "text": "Izao no ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby eny amin\u2019 izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na r\u00e0 akory ianareo. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Leviticus 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin\u2019 i Jehovah amin\u2019 izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin\u2019 ireny: " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:3", "text": "raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr\u2019 ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:4", "text": "Ary hitondra ny vantotr\u2019 ombilahy ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:5", "text": "Ary hangalan\u2019 ny mpisorona voahosotra ny ran\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy ka ho entiny ho ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana; " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:6", "text": "ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin\u2019 ny r\u00e0, ka hafafiny impito eo anatrehan\u2019 i Jehovah, eo anoloan\u2019 ny efitra lamba ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna; " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:7", "text": "ary hotentenan\u2019 ny mpisorona r\u00e0 ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan\u2019 i Jehovah, izay ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary ny r\u00e0 sisa rehetra avy amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy dia haidiny eo am-bodin\u2019 ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:8", "text": "Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy, " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:9", "text": "ary ny voany roa mbamin\u2019 ny fonom-boany, izay eo amin\u2019 ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin\u2019 ny voany no fanaisony izany, " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:10", "text": "tahaka ny fanalana azy amin\u2019 ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:11", "text": "Fa ny hoditry ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny henany rehetra mbamin\u2019 ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany, " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:12", "text": "dia ny tenan\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan\u2019 ny toby ho amin\u2019 izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin\u2019 ny kitay amin\u2019 ny afo izy; eo amin\u2019 ny fanariana ny lavenona no handoroana azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:13", "text": "Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan\u2019 ny mason\u2019 ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin\u2019 ny didin\u2019 i Jehovah amin\u2019 izay tsy tokony hatao izy ka meloka, " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:14", "text": "rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr\u2019 ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:15", "text": "Ary ny loholon\u2019 ny fiangonana hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy eo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary ny vantotr\u2019 ombilahy dia hovonoina eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:16", "text": "Ary hangalan\u2019 ny mpisorona voahosotra ny ran\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy ka ho entiny ho ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:17", "text": "ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin\u2019 ny r\u00e0, ka hafafiny impito eo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia eo anoloan\u2019 ny efitra lamba. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:18", "text": "Ary hangalany koa ny r\u00e0 ka hatentiny eo amin\u2019 ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia ilay ao anatin\u2019 ny trano-lay fihaonana, ary ny r\u00e0 sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin\u2019 ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:19", "text": "Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:20", "text": "Ary ny vantotr\u2019 ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an\u2019 ny olona, dia havela ny helony. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:21", "text": "Ary ny vantotr\u2019 ombilahy dia havoakany ho eny ivelan\u2019 ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr\u2019 ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an\u2019 ny fiangonana izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:22", "text": "Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin\u2019 ny didin\u2019 i Jehovah Andriamaniny amin\u2019 izay tsy tokony hatao ka meloka, " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:23", "text": "ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy; " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:24", "text": "ary hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin\u2019 ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan\u2019 i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:25", "text": "Ary hangalan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny fanondrony ny ran\u2019 ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin\u2019 ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny r\u00e0 sisa dia haidiny eo am-bodin\u2019 ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana; " }, { "verse": 26, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:26", "text": "ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara, tahaka ny saboran\u2019 ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony. " }, { "verse": 27, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:27", "text": "Ary raha misy amin\u2019 ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin\u2019 ny didin\u2019 i Jehovah amin\u2019 izay tsy tokony hatao ka meloka, " }, { "verse": 28, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:28", "text": "ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho\u2019 ny fahotany izay nataony. " }, { "verse": 29, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:29", "text": "Ary hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin\u2019 ny fitoeran\u2019 ny fanatitra dorana. " }, { "verse": 30, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:30", "text": "Ary hangalan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny fanondrony ny r\u00e0 ka hatentiny eo amin\u2019 ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny r\u00e0 sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 31, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:31", "text": "Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran\u2019 ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony. " }, { "verse": 32, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:32", "text": "Ary raha zanak\u2019 ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny; " }, { "verse": 33, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:33", "text": "ary hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin\u2019 ny famonoana ny fanatitra dorana. " }, { "verse": 34, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:34", "text": "Ary hangalan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny fanondrony ny ran\u2019 ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin\u2019 ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny r\u00e0 sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 35, "chapter": 4, "name": "Leviticus 4:35", "text": "Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran\u2019 ny zanak\u2019 ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara, ambonin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Leviticus 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:1", "text": "Ary raha misy manota, satria mandre ny feon\u2019 ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany, " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:2", "text": "na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin\u2019 ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin\u2019 ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin\u2019 ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany, " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:3", "text": "na misy mikasika ny fahalotoan\u2019 olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy, " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:4", "text": "na misy mianiana ka miteniteny foana amin\u2019 ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin\u2019 ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo izy: " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:5", "text": "koa raha meloka amin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany, " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:6", "text": "ary hitondra ny saziny ho an\u2019 i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:7", "text": "Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an\u2019 i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:8", "text": "Dia hitondra ireo ho eo amin\u2019 ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin\u2019 ny hoho ny lohany ho afaka amin\u2019 ny vozony, fa tsy hohenteriny izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:9", "text": "Ary hamafazany eo amin\u2019 ny rindrin\u2019 ny alitara ny ran\u2019 ny fanatitra noho ny ota; ary ny r\u00e0 sisa hofiazany eo am-bodin\u2019 ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:10", "text": "Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:11", "text": "Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon\u2019 ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:12", "text": "Dia hitondra azy ho eo amin\u2019 ny mpisorona izy, ary handraofan\u2019 ny mpisorona eran-t\u00e0nan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara miaraka amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:13", "text": "Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo, dia havela ny helony; ary ho an\u2019 ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:14", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:15", "text": "Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin\u2019 ny zava-masin\u2019 i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an\u2019 i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely mas\u00ecna, ho fanati-panonerana. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:16", "text": "Ary izay efa nanotany ny amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin\u2019 ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin\u2019 ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:17", "text": "Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin\u2019 ny didin\u2019 i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy, " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:18", "text": "dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin\u2019 ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony; " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:19", "text": "dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin\u2019 i Jehovah tokoa izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:20", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:21", "text": "Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin\u2019 i Jehovah, fa mandainga amin\u2019 ny namany ny amin\u2019 izay nampitehirizina azy, na amin\u2019 ny zavatra notanany ho tsat\u00f2ka, na amin\u2019 izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:22", "text": "na nahita izay zavatra very ka mandainga amin\u2019 izany sady mianian-tsy t\u00f2 ny amin\u2019 izay mety ho fahotan\u2019 ny olona, " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:23", "text": "satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin\u2019 ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:24", "text": "na izay rehetra nianianany tsy t\u00f2; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin\u2019 ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:25", "text": "Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an\u2019 i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin\u2019 ny mpisorona. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "Leviticus 5:26", "text": "Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Leviticus 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:2", "text": "Mandidia an\u2019 i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin\u2019 ny fatana eo an-tampon\u2019 ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon\u2019 ny alitara hirehitra eo. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:3", "text": "Any hiakanjoan\u2019 ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin\u2019 ny fanatitra dorana izay nolevonin\u2019 ny afo teo ambonin\u2019 ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:4", "text": "Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan\u2019 ny toby amin\u2019 izay fitoerana madio. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:5", "text": "Ary ny afo eo ambonin\u2019 ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan\u2019 ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny saboran\u2019 ny fanati-pihavanana. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:6", "text": "Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin\u2019 ny alitara ka tsy havela ho faty. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:7", "text": "Ary izao no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny fanatitra hohanina: Ireo zanak\u2019 i Arona no hanatitra azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah eo anoloan\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:8", "text": "Ary hangalany eran-t\u00e0nan-ila ny koba tsara toto amin\u2019 ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin\u2019 ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin\u2019 ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:9", "text": "Ary izay sisa amin\u2019 ireny dia hohanin\u2019 i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin\u2019 ny kianjan\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:10", "text": "Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho Ahy izany; mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:11", "text": "Ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny zanak\u2019 i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah izany; ho mas\u00ecna izay rehetra manendry izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:12", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:13", "text": "Izao no fanatitr\u2019 i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an\u2019 i Jehovah amin\u2019 izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon\u2019 ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan\u2019 andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:14", "text": "Amin\u2019 ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:15", "text": "Ary ilay mpisorona avy amin\u2019 ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an\u2019 i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa; " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:16", "text": "fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin\u2019 ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:17", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:18", "text": "Mitenena amin\u2019 i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lal\u00e0na ny amin\u2019 ny fanatitra noho ny ota: Eo amin\u2019 ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan\u2019 i Jehovah; ho mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:19", "text": "ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna no hihinanany azy, dia eo amin\u2019 ny kianjan\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:20", "text": "Ho mas\u00ecna izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan\u2019 ny r\u00e0ny, dia hosasanao eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna izay ipitihany. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:21", "text": "Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:22", "text": "Ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny mpisorona no mahazo mihinana azy; mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "Leviticus 6:23", "text": "Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-dr\u00e0 ho entina ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, dia tsy hohanina; hodorana amin\u2019 ny afo izany. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Leviticus 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:1", "text": "Ary izao no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny fanati-panonerana: mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:2", "text": "Eo amin\u2019 izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny r\u00e0 dia hatopiny manodidina amin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:3", "text": "Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:4", "text": "ary ny voany roa mbamin\u2019 ny fonom-boany, izay eo amin\u2019 ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin\u2019 ny voany no fanaisony izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:5", "text": "Ary hodoran\u2019 ny mpisorona ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara ireo ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah; dia fanati-panonerana izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:6", "text": "Ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna no hihinanany azy: mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:7", "text": "Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lal\u00e0na iray no ho amin\u2019 izy roa: ho an\u2019 ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:8", "text": "Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin\u2019 ny olona dia hahazo ny hoditr\u2019 izany fanatitra dorana nateriny izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:9", "text": "Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in\u2019 ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin\u2019 ny vilany fandrahoana, na amin\u2019 ny lapoely, dia ho an\u2019 ilay mpisorona manatitra azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:10", "text": "Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an\u2019 ny zanak\u2019 i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:11", "text": "Ary izao no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny fanati-pihavanana izay haterina ho an\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:12", "text": "Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin\u2019 ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:13", "text": "Ary miaraka amin\u2019 ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin\u2019 ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:14", "text": "Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an\u2019 i Jehovah; ho an\u2019 ilay mpisorona manopy ny ran\u2019 ny fanati-pihavanana izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:15", "text": "Ary ny henan\u2019 ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin\u2019 ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:16", "text": "Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin\u2019 ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson\u2019 iny no hihinanana izay ambiny. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:17", "text": "Fa ny sisa amin\u2019 ny henan\u2019 ny fanatitra dia hodorana amin\u2019 ny afo amin\u2019 ny andro fahatelo. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:18", "text": "Ary raha tah\u00ecny hihinanana amin\u2019 ny andro fahatelo ny henan\u2019 ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an\u2019 izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin\u2019 izany dia ho meloka. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:19", "text": "Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin\u2019 ny afo; ary ny amin\u2019 ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy; " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:20", "text": "fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin\u2019 ny fanati-pihavanana, izay an\u2019 i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:21", "text": "Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan\u2019 olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin\u2019 ny henan\u2019 ny fanati-pihavanana izay an\u2019 i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:22", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:23", "text": "Mitenana amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an\u2019 ny omby, na ny an\u2019 ny ondry, nany an\u2019 ny osy. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:24", "text": "Ary ny saboran\u2019 ny biby izay maty ho azy sy ny saboran\u2019 izay noviraviraim-biby dila azo atao amin\u2019 ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:25", "text": "Fa izay rehetra mihinana saboran\u2019 ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:26", "text": "Ary aza mihinana r\u00e0 eny amin\u2019 izay rehetra itoeranareo, na ny an\u2019 ny vorona, na ny an\u2019 ny biby fiompy. " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:27", "text": "Izay rehetra mihinana r\u00e0 dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:28", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 29, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:29", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an\u2019 i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an\u2019 i Jehovah avy amin\u2019 ny fanati-pihavanany. " }, { "verse": 30, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:30", "text": "Ny t\u00e0nany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah; ny saborany mbamin\u2019 ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 31, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:31", "text": "Ary hodoran\u2019 ny mpisorona ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an\u2019 i Arona sy ireo zanany. " }, { "verse": 32, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:32", "text": "Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin\u2019 ny fanati-pihavananareo. " }, { "verse": 33, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:33", "text": "Ny anankiray amin\u2019 ny zanak\u2019 i Arona izay manatitra ny ran\u2019 ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany. " }, { "verse": 34, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:34", "text": "Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely avy amin\u2019 ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an\u2019 i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 35, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:35", "text": "Izany no anjaran\u2019 i Arona sy ny zanany avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, amin\u2019 ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 36, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:36", "text": "dia izay nandidian\u2019 i Jehovah homena azy avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely amin\u2019 ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin\u2019 ny taranany hatramin\u2019 ny fara mandimby. " }, { "verse": 37, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:37", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana, " }, { "verse": 38, "chapter": 7, "name": "Leviticus 7:38", "text": "izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy tao amin\u2019 ny tendrombohitra Sinay, tamin\u2019 ny andro izay nandidiany ny Zanak\u2019 Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an\u2019 i Jehovah, tany an-efitr\u2019 i Sinay. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Leviticus 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:2", "text": "Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr\u2019 ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:3", "text": "Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:4", "text": "Ary Mosesy nanao araka izay nandidian\u2019 i Jehovah azy; dia vory teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana ny fiangonana. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:5", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:6", "text": "Ary Arona sy ny zanany dia nentin\u2019 i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin\u2019 ny rano. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:7", "text": "Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin\u2019 ny efoda taminy izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:8", "text": "Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:9", "text": "Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema mas\u00ecna, dia nataony teo anoloana amin\u2019 ny hamama, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:10", "text": "Ary nalain\u2019 i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:11", "text": "Dia namafazany impito teo ambonin\u2019 ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:12", "text": "Ary nanidinany teo amin\u2019 ny lohan\u2019 i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:13", "text": "Ary dia nentin\u2019 i Mosesy nanatona koa ny zanak\u2019 i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:14", "text": "Ary nentiny nanatona koa ny vantotr\u2019 ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:15", "text": "Dia novonoiny ny, ary nalain\u2019 i Mosesy ny r\u00e0, ka notentenany tamin\u2019 ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin\u2019 ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny r\u00e0 sisa dia naidiny teo am-bodin\u2019 ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:16", "text": "Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin\u2019 ny fonom-boany, ka nodoran\u2019 i Mosesy ho fofona teo ambonin\u2019 ny alitara ireo. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:17", "text": "Fa ny hoditry ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin\u2019 ny afo teny ivelan\u2019 ny toby, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:18", "text": "Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny ondrilahy. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:19", "text": "Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny r\u00e0 manodidina tamin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:20", "text": "Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran\u2019 i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:21", "text": "Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin\u2019 ny rano; dia nodoran\u2019 i Mosesy ho fofona teo ambonin\u2019 ny alitara ny tenan\u2019 ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:22", "text": "Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny ondrilahy. " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:23", "text": "Dia novonoiny iny; ary nangalan\u2019 i Mosesy ny r\u00e0 ka, natentiny teo amin\u2019 ny tendron\u2019 ny ravin-tsofin\u2019 i Arona ankavanana sy tamin\u2019 ny ankihiben-t\u00e0nany ankavanana ary tamin\u2019 ny ankihiben-tongony ankavanana. " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:24", "text": "Ary nentiny nanatona koa ny zanak\u2019 i Arona, ka notentenan\u2019 i Mosesy ny r\u00e0 ny tendron\u2019 ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-t\u00e0nany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny r\u00e0 sisa dia natopin\u2019 i Mosesy manodidina tamin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:25", "text": "Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim\u2019 ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana. " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:26", "text": "Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia nangalany iray tamin\u2019 ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin\u2019 ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin\u2019 ny mofo manify ka napetrany teo ambonin\u2019 ny saborany sy ny sorok\u2019 ondry ankavanana. " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:27", "text": "Dia napetrany teo amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:28", "text": "Dia nalain\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny t\u00e0nany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin\u2019 ny alitara niaraka tamin\u2019 ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 29, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:29", "text": "Dia nalain\u2019 i Mosesy koa ny tratran\u2019 ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah; anjaran\u2019 i Mosesy avy amin\u2019 ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:30", "text": "Ary nangalan\u2019 i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny r\u00e0 izay teo ambonin\u2019 ny alitara ka nafafiny tamin\u2019 i Arona sy tamin\u2019 ny fitafiany ary tamin\u2019 ny zanany sy tamin\u2019 ny fitafian\u2019 ny zanany koa; dia nanamasina an\u2019 i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian\u2019 ny zanany koa Izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:31", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin\u2019 ny mofo izay eo amin\u2019 ny haron\u2019 ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy. " }, { "verse": 32, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:32", "text": "Ary izay sisa amin\u2019 ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 33, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:33", "text": "Ary tsy hiala eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo. " }, { "verse": 34, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:34", "text": "Tahaka ny efa natao androany no nandidian\u2019 i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo. " }, { "verse": 35, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:35", "text": "Ary hitoetra eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman\u2019 alina ianareo ka hitandrina izay asain\u2019 i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy. " }, { "verse": 36, "chapter": 8, "name": "Leviticus 8:36", "text": "Dia nataon\u2019 i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah ka nampilazainy an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Leviticus 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an\u2019 i Arona sy ny zanany ary ny loholon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:2", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 i Arona: Mak\u00e0 ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:3", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely dia ilazao hoe: Mak\u00e0 osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak\u2019 ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana, " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:4", "text": "ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan\u2019 i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan\u2019 i Jehovah aminareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:5", "text": "Dia nitondra izay nandidian\u2019 i Mosesy azy ho eo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:6", "text": "Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian\u2019 i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:7", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an\u2019 ny tenanao sy ho an\u2019 ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:8", "text": "Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an\u2019 ny tenany. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:9", "text": "Ary nentin\u2019 ny zanak\u2019 i Arona ho eo aminy ny r\u00e0, dia nanoboka ny fanondrony tamin\u2019 ny r\u00e0 Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny r\u00e0 sisa dia naidiny teo am-bodin\u2019 ny alitara; " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:10", "text": "fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin\u2019 ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin\u2019 ny alitara, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy; " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:11", "text": "ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin\u2019 ny afo teny ivelan\u2019 ny toby. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:12", "text": "Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny r\u00e0 dia nanopy izany manodidina tamin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:13", "text": "Ary ny fanatitra dorana mbamin\u2019 ny lohany dia natolotr\u2019 ireo azy tsirairay araka ny nandras\u00e0na azy ka nodorany ho fofona teo ambonin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:14", "text": "Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin\u2019 ny fanatitra dorana teo ambonin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:15", "text": "Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an\u2019 ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:16", "text": "Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:17", "text": "Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-t\u00e0nan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin\u2019 ny alitara izany, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana maraina. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:18", "text": "Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak\u2019 i Arona nanolotra azy ny r\u00e0, dia nanopy izany manodidina tamin\u2019 ny lafin\u2019 ny alitara izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:19", "text": "Ary natolony azy koa ny saboran\u2019 ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin\u2019 ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe, " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:20", "text": "dia napetrany teo ambonin\u2019 ny tratran\u2019 ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin\u2019 ny alitara izany; " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:21", "text": "fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan\u2019 i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah, araka izay nandidian\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:22", "text": "Ary Arona nanandratra ny t\u00e0nany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:23", "text": "Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr\u2019 i Jehovah niseho tamin\u2019 ny olona rehetra. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Leviticus 9:24", "text": "Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin\u2019 ny alitara; ary nony hitan\u2019 ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Leviticus 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:1", "text": " Ary Nadaba sy Abiho, zanak\u2019 i Arona, samy naka ny fitondran\u2019 afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan\u2019 i Jehovah, izay tsy nandidiany azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:2", "text": "Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:3", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona: Izany dia ilay nolazain\u2019 i Jehovah hoe: Amin\u2019 izay akaiky Ahy no hisehoako ho mas\u00ecna, ary eo anatrehan\u2019 ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:4", "text": "Ary Mosesy dia nampaka an\u2019 i Misaela sy Elzafana, zanak\u2019 i Oziela, rahalahin-drain\u2019 i Arona, ka nanao taminy hoe: Manat\u00f2na, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ho eny ivelan\u2019 ny toby. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:5", "text": "Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan\u2019 ny toby, araka izay efa nolazain\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:6", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona ary tamin\u2019 i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak\u2019 Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:7", "text": "Ary aza miala eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran\u2019 i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin\u2019 i Mosesy izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:8", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:9", "text": "Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby izany), " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:10", "text": "ary mba hahaizanareo manavaka ny mas\u00ecna sy ny tsy mas\u00ecna, ary ny madio sy ny tsy madio, " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:11", "text": "ary mba hampianarinareo ny Zanak\u2019 Isiraely ny didy rehetra izay nasain\u2019 i Jehovah holazain\u2019 i Mosesy taminy. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:12", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona ary tamin\u2019 i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin\u2019 ny fanatitra natao tamin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, ka hano eo anilan\u2019 ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:13", "text": "Ary hano eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:14", "text": "Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin\u2019 izay fitoerana madio, dia ianao mbamin\u2019 ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin\u2019 ny fanati-pihavanana aterin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:15", "text": "Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin\u2019 ny saborany izay fanatitra atao amin\u2019 ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:16", "text": "Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Arona sisa izy, dia tamin\u2019 i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy: " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:17", "text": "Nahoana no tsy nohaninareo teo amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ny fanatitra noho ny ota? fa mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:18", "text": "Indro, ny r\u00e0ny tsy nampidirina tao anatin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ianareo, araka izay nandidiako. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:19", "text": "Ary Arona niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan\u2019 i Jehovah, ary efa azon\u2019 izao manjo izao aho; koa raha t\u00e0hiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason\u2019 i Jehovah va izany? " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Leviticus 10:20", "text": "Ary raha ren\u2019 i Mosesy izany, dia nankasitrahany. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Leviticus 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin\u2019 ny biby rehetra ambonin\u2019 ny tany: " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:3", "text": "Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:4", "text": "Kanefa amin\u2019 izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:5", "text": "ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:6", "text": "ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy; " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:7", "text": "ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:8", "text": "Ny henan\u2019 ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:9", "text": "Ary amin\u2019 izay rehetra ao anatin\u2019 ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin\u2019 ny ranomasina, na ao anatin\u2019 ny ony, no ho fihinanareo; " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:10", "text": "fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin\u2019 ny ranomasina, na ao anatin\u2019 ny ony, na amin\u2019 izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin\u2019 ny zava-manan\u2019 aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny; " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:11", "text": "eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:12", "text": "Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:13", "text": "Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin\u2019 ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:14", "text": "ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany, " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:15", "text": "ary ny goaika rehetra, isan-karazany, " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:16", "text": "ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany, " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:17", "text": "ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:18", "text": "ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:19", "text": "sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:20", "text": "Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo; " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:21", "text": "nefa izao kosa no ho fihinanareo amin\u2019 ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin\u2019 ny faladiany hitsipihany eo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:22", "text": "Amin\u2019 ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:23", "text": "Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:24", "text": "Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:25", "text": "Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:26", "text": "Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy. " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:27", "text": "Ary izay rehetra mandeha amin\u2019 ny faladiany, amin\u2019 ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny. " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:28", "text": "Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny. " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:29", "text": "Ary izao no haloto aminareo amin\u2019 ny biby izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany, " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:30", "text": "ary ny anak\u00e0 sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana. " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:31", "text": "Ireo no maloto aminareo amin\u2019 ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin\u2019 ireo dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:32", "text": "Ary izay zavatra rehetra ilatsahan\u2019 ny fatin\u2019 Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro izy vao hadio. " }, { "verse": 33, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:33", "text": "Ary ny amin\u2019 ny vilany tany rehetra izay ilatsahan\u2019 ny fatin\u2019 ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo. " }, { "verse": 34, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:34", "text": "Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin\u2019 ny fanaka inona na tamin\u2019 ny fanaka inona. " }, { "verse": 35, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:35", "text": "Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan\u2019 ny fatin\u2019 ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo. " }, { "verse": 36, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:36", "text": "Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto. " }, { "verse": 37, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:37", "text": "Ary raha misy fatin\u2019 ireo latsaka amin\u2019 ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany. " }, { "verse": 38, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:38", "text": "Fa raha misy voan-javatra nalona tamin\u2019 ny rano ka ilatsahan\u2019 ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany. " }, { "verse": 39, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:39", "text": "Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro izay mikasika ny fatiny. " }, { "verse": 40, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:40", "text": "Ary izay mihinana amin\u2019 ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro " }, { "verse": 41, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:41", "text": "Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana. " }, { "verse": 42, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:42", "text": "Izay rehetra mandady amin\u2019 ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny. " }, { "verse": 43, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:43", "text": "Aza mametaveta ny tenanareo amin\u2019 izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany. " }, { "verse": 44, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:44", "text": "Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamas\u00ecna ny tenanareo, ka dia ho mas\u00ecna ianareo, satria mas\u00ecna Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin\u2019 izay zavatra mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 45, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:45", "text": "Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho mas\u00ecna ianareo, satria mas\u00ecna Aho. " }, { "verse": 46, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:46", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan\u2019 aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan\u2019 aina rehetra izay mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, " }, { "verse": 47, "chapter": 11, "name": "Leviticus 11:47", "text": "mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Leviticus 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan\u2019 anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin\u2019 ny fadim-bolany no hahalotoany. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:3", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:4", "text": "Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin\u2019 ny r\u00e0ny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-mas\u00ecna izy, na hiditra ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:5", "text": "Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin\u2019 ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin\u2019 ny r\u00e0ny izay mahadio azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:6", "text": "Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin\u2019 ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak\u2019 ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana ho eo amin\u2019 ny mpisorona ireo. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:7", "text": "Ary izy hanatitra izany eo anatrehan\u2019 i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin\u2019 ny fandehanan\u2019 ny r\u00e0ny izy. Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Leviticus 12:8", "text": "Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak\u2019 ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Leviticus 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:2", "text": "Raha misy mamontsina eo amin\u2019 ny hoditry ny nofon\u2019 ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin\u2019 ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin\u2019 i Arona mpisorona izy, na ho eo amin\u2019 izay iray amin\u2019 ny mpisorona, zanak\u2019 i Arona; " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:3", "text": "koa raha zahan\u2019 ny mpisorona ny aretina eo amin\u2019 ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin\u2019 ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan\u2019 ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:4", "text": "Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin\u2019 ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan\u2019 ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:5", "text": "Ary raha zahan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin\u2019 ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy; " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:6", "text": "ary raha zahan\u2019 ny mpisorona indray amin\u2019 ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin\u2019 ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:7", "text": "Fa raha nanitatra teo amin\u2019 ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian\u2019 ny nisehoany tamin\u2019 ny mpisorona ny amin\u2019 ny fanadiovana azy, dia hiseho amin\u2019 ny mpisorona indray izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:8", "text": "Ary raha zahan\u2019 ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin\u2019 ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:9", "text": "Raha misy habokana amin\u2019 ny olona, dia ho entina any amin\u2019 ny mpisorona izy; " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:10", "text": "ary raha zahan\u2019 ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin\u2019 ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin\u2019 ny mamontsina, " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:11", "text": "dia habokana efa ela teo amin\u2019 ny hoditry ny nofony izany, ka hataon\u2019 ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:12", "text": "Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin\u2019 ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr\u2019 ilay marary hatramin\u2019 ny lohany ka hatramin\u2019 ny tongony, na aiza na aiza zahan\u2019 ny mpisorona, " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:13", "text": "ary zahan\u2019 ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:14", "text": "Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:15", "text": "Ary raha zahan\u2019 ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:16", "text": "Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin\u2019 ny Mpisorona izy; " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:17", "text": "ary raha zahan\u2019 ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon\u2019 ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:18", "text": "Ary raha misy fery sitrana eo amin\u2019 ny hoditry ny nofo, " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:19", "text": "ary misy fotsy mamontsina eo amin\u2019 ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin\u2019 ny mpisorona izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:20", "text": "Ary raha zahan\u2019 ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon\u2019 ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin\u2019 ny fery izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:21", "text": "Fa raha zahan\u2019 ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan\u2019 ny mpisorona toerana hafitoana izy; " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:22", "text": "ary raha nanitra mihitsy teo amin\u2019 ny hoditra izany, dia hataon\u2019 ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:23", "text": "Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin\u2019 ny fery izany; ary hataon\u2019 ny mpisorona hoe madio. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:24", "text": "Ary raha misy main\u2019 ny afo eo amin\u2019 ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena, " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:25", "text": "ary zahan\u2019 ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin\u2019 ny itoeran\u2019 ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin\u2019 ny may izany, ka hataon\u2019 ny mpisorona hoe maloto, habokana izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:26", "text": "Fa raha zahan\u2019 ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin\u2019 ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan\u2019 ny mpisorona toerana hafitoana izy, " }, { "verse": 27, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:27", "text": "ary raha zahan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin\u2019 ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany. " }, { "verse": 28, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:28", "text": "Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin\u2019 ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin\u2019 ny may izany; ary hataon\u2019 ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany. " }, { "verse": 29, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:29", "text": "Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin\u2019 ny lohany na eo amin\u2019 ny saokany, " }, { "verse": 30, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:30", "text": "ary zahan\u2019 ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon\u2019 ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin\u2019 ny loha na eo amin\u2019 ny saoka izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:31", "text": "Fa raha zahan\u2019 ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina. " }, { "verse": 32, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:32", "text": "Ary raha zahan\u2019 ny mpisorona ny aretina amin\u2019 ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, at\u1ef3 tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, " }, { "verse": 33, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:33", "text": "dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan\u2019 ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina. " }, { "verse": 34, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:34", "text": "Ary raha zahan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin\u2019 ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon\u2019 ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio. " }, { "verse": 35, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:35", "text": "Fa raha nanitatra teo amin\u2019 ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy, " }, { "verse": 36, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:36", "text": "dia hozahan\u2019 ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin\u2019 ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy. " }, { "verse": 37, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:37", "text": "Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon\u2019 ny mpisorona hoe madio. " }, { "verse": 38, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:38", "text": "Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin\u2019 ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana, " }, { "verse": 39, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:39", "text": "ary zahan\u2019 ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin\u2019 ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin\u2019 ny hoditra izany, madio izany. " }, { "verse": 40, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:40", "text": "Ary ny amin\u2019 ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio. " }, { "verse": 41, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:41", "text": "Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin\u2019 ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio. " }, { "verse": 42, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:42", "text": "Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin\u2019 ny loha sola, na eo amin\u2019 ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin\u2019 ny loha sola, na amin\u2019 ny mazavaray izany " }, { "verse": 43, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:43", "text": "Ary raha zahan\u2019 ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin\u2019 ny aretina eo amin\u2019 ny loha sola, na eo amin\u2019 ny mazavaray, tahaka ny fisehon\u2019 ny habokana eo amin\u2019 ny hoditry ny nofo, " }, { "verse": 44, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:44", "text": "dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon\u2019 ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin\u2019 ny lohany ny aretina. " }, { "verse": 45, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:45", "text": "Ary ny amin\u2019 izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e! " }, { "verse": 46, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:46", "text": "Amin\u2019 ny andro rehetra izay haharariany amin\u2019 izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan\u2019 ny toby no itoerany. " }, { "verse": 47, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:47", "text": "Amin\u2019 ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon\u2019 ondry, na fitafiana rongony, " }, { "verse": 48, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:48", "text": "sy izay ho an\u2019 ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon\u2019 ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, " }, { "verse": 49, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:49", "text": "raha maitsomaitso na menamena eo amin\u2019 ny fitafiana ny aretina, na eo amin\u2019 ny hoditra, na eo amin\u2019 izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin\u2019 ny zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin\u2019 ny mpisorona. " }, { "verse": 50, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:50", "text": "Ary hozahan\u2019 ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy. " }, { "verse": 51, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:51", "text": "Ary raha zahany ny aretina amin\u2019 ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin\u2019 ny fitafiana ny aretina, na teo amin\u2019 izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin\u2019 ny zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto. " }, { "verse": 52, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:52", "text": "Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an\u2019 ny tenany, na izay ho fahany, na volon\u2019 ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 53, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:53", "text": "Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin\u2019 ny fitafiana, na teo amin\u2019 izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin\u2019 ny zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, " }, { "verse": 54, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:54", "text": "dia hasain\u2019 mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy; " }, { "verse": 55, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:55", "text": "ary rehefa voasasa izy, dia hozahan\u2019 ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin\u2019 ny afo; aretina mafy izany, na amin\u2019 ny atiny, na amin\u2019 ny ivelany. " }, { "verse": 56, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:56", "text": "Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin\u2019 ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin\u2019 ny hoditra, na ho afaka amin\u2019 ny tenany, na izay ho fahany. " }, { "verse": 57, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:57", "text": "Ary raha mbola misy miseho eo amin\u2019 ny fitafiana indray izy, na eo amin\u2019 izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin\u2019 ny zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin\u2019 ny afo izay misy izany. " }, { "verse": 58, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:58", "text": "Ary ny fitafiana, na izay ho an\u2019 ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio. " }, { "verse": 59, "chapter": 13, "name": "Leviticus 13:59", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny habokana eo amin\u2019 ny fitafiana volon\u2019 ondry na rongony, na eo amin\u2019 izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin\u2019 ny zavatra natao tamin\u2019 ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Leviticus 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:1", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:2", "text": "Izao no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny boka amin\u2019 ny andro fanavotana azy: ho entina any amin\u2019 ny mpisorona izy; " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:3", "text": "dia hivoaka eny ivelan\u2019 ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin\u2019 ny habokany ny boka, " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:4", "text": "dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain\u2019 ny mpisorona ho an\u2019 ilay hodiovina; " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:5", "text": "Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin\u2019 ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin\u2019 ny rano mandeha; " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:6", "text": "Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin\u2019 ny vorona velona eo amin\u2019 ny ran\u2019 ny vorona izay novonoina teo ambonin\u2019 ny rano nalaina tamin\u2019 ny rano mandeha. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:7", "text": "Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin\u2019 ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:8", "text": "Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin\u2019 ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan\u2019 ny lainy hafitoana. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:9", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin\u2019 ny rano, dia hadio izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:10", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahavalo dia haka zanak\u2019 ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak\u2019 ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:11", "text": "Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan\u2019 i Jehovah, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana; " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:12", "text": "dia haka ny zanak\u2019 ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin\u2019 ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:13", "text": "Ary hamono ny zanak\u2019 ondrilahy eo amin\u2019 ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna; fa ho an\u2019 ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho mas\u00ecna dia mas\u00ecna izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:14", "text": "Dia hangalan\u2019 ny mpisorona ny ran\u2019 ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron\u2019 ny ravin-tsofina ankavanan\u2019 ilay hodiovina sy ny ankihiben-t\u00e0nany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:15", "text": "ary ny diloilo iray loga dia hangalan\u2019 ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia; " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:16", "text": "dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin\u2019 ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:17", "text": "ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan\u2019 ny mpisorona ny tendron\u2019 ny ravin-tsofina ankavanan\u2019 ilay hodiovina sy ny ankihiben-t\u00e0nany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin\u2019 ilay nasiana ny ran\u2019 ny fanati-panonerana; " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:18", "text": "ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-t\u00e0nan\u2019 ny mpisorona dia hataony amin\u2019 ny lohan\u2019 ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny mpisorona. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:19", "text": "Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an\u2019 ilay hodiovina hahafahany amin\u2019 ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy; " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:20", "text": "ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin\u2019 ny alitara ka hanao fanavotana ho an\u2019 ilay olona hodiovina, dia hadio izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:21", "text": "Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak\u2019 ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:22", "text": "ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana. " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:23", "text": "Dia ho eniny any amin\u2019 ny mpisorona ireo amin\u2019 ny andro fahavalon\u2019 ny fanadiovana azy, ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:24", "text": "Dia horaisin\u2019 ny mpisorona ny zanak\u2019 ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:25", "text": "Dia hovonoina ny zanak\u2019 ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan\u2019 ny mpisorona ny ran\u2019 ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron\u2019 ny ravin-tsofina ankavanan\u2019 ilay hodiovina sy ny ankihiben-t\u00e0nany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:26", "text": "ary hangalan\u2019 ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-t\u00e0nany ankavia; " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:27", "text": "dia hangalan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-t\u00e0nany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:28", "text": "dia hotentenan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny diloilo izay eo an-t\u00e0nany ny tendron\u2019 ny ravin-tsofina ankavanan\u2019 ilay hodiovina sy ny ankihiben-t\u00e0nany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin\u2019 ilay nasiana ny ran\u2019 ny fanati-panonerana; " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:29", "text": "ary ny diloilo sisa eo ampela-t\u00e0nan\u2019 ny mpisorona dia hataony amin\u2019 ny lohan\u2019 ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 30, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:30", "text": "Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany, " }, { "verse": 31, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:31", "text": "dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an\u2019 ilay hodiovina eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 32, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:32", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy. " }, { "verse": 33, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:33", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 34, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:34", "text": "Rehefa tonga any amin\u2019 ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin\u2019 ny tany fanananareo, " }, { "verse": 35, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:35", "text": "dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin\u2019 ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin\u2019 ny tranoko. " }, { "verse": 36, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:36", "text": "Dia hasain\u2019 ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan\u2019 ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano; " }, { "verse": 37, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:37", "text": "ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin\u2019 ny rindrin\u2019 ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin\u2019 ny rindrin-trano no fijeriny azy, " }, { "verse": 38, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:38", "text": "dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana. " }, { "verse": 39, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:39", "text": "Ary hiverina ny mpisorona amin\u2019 ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin\u2019 ny rindrin\u2019 ny trano izy, " }, { "verse": 40, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:40", "text": "dia hasain\u2019 ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin\u2019 izay fitoerana maloto eo ivelan\u2019 ny tan\u00e0na; " }, { "verse": 41, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:41", "text": "dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian\u2019 ny olona amin\u2019 izay fitoerana maloto eny ivelan\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 42, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:42", "text": "Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano. " }, { "verse": 43, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:43", "text": "Fa raha t\u00e0hiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin\u2019 ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano, " }, { "verse": 44, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:44", "text": "ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin\u2019 ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin\u2019 ny trano izany, ka dia maloto izy. " }, { "verse": 45, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:45", "text": "Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin\u2019 izay fitoerana maloto eny ivelan\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 46, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:46", "text": "Ary izay miditra ao amin\u2019 izany trano izany amin\u2019 ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro; " }, { "verse": 47, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:47", "text": "ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa. " }, { "verse": 48, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:48", "text": "Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin\u2019 ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon\u2019 ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina. " }, { "verse": 49, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:49", "text": "Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano. " }, { "verse": 50, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:50", "text": "Dia hovonoiny eo ambonin\u2019 ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin\u2019 ny rano mandeha ny vorona anankiray; " }, { "verse": 51, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:51", "text": "dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin\u2019 ny ran\u2019 ny vorona izay novonoina sy eo amin\u2019 ny rano nalaina tamin\u2019 ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito. " }, { "verse": 52, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:52", "text": "Dia hanadio ny trano amin\u2019 ny ran\u2019 ny vorona izy sy amin\u2019 ny rano nalaina tamin\u2019 ny rano mandeha sy amin\u2019 ny vorona velona sy amin\u2019 ny hazo sedera sy amin\u2019 ny hysopa ary amin\u2019 ny jaky. " }, { "verse": 53, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:53", "text": "Fa hasainy ho entina eny ivelan\u2019 ny tan\u00e0na ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an\u2019 ny trano izy, ka dia hadio izany. " }, { "verse": 54, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:54", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny habokana rehetra sy ny kongonina, " }, { "verse": 55, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:55", "text": "ary amin\u2019 ny habokana amin\u2019 ny fitafiana sy amin\u2019 ny trano, " }, { "verse": 56, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:56", "text": "ary ny amin\u2019 ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana, " }, { "verse": 57, "chapter": 14, "name": "Leviticus 14:57", "text": "hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny habokana. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Leviticus 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:3", "text": "Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:4", "text": "Maloto ny fandriana rehetra izay andrian\u2019 ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:5", "text": "Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:6", "text": "Ary izay mipetraka amin\u2019 ny zavatra izay efa nipetrahan\u2019 ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:7", "text": "Ary izay mikasika ny tenan\u2019 ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:8", "text": "Ary raha misy olona madio voaroran\u2019 ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:9", "text": "Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan\u2019 ny marary mitsika. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:10", "text": "Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:11", "text": "Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:12", "text": "Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin\u2019 ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:13", "text": "Ary raha sitrana amin\u2019 ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin\u2019 ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano mandeha izy, dia hadio. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:14", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan\u2019 i Jehovah, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin\u2019 ny mpisorona izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:15", "text": "Dia haterin\u2019 ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:16", "text": "Ary raha miala amin\u2019 ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin\u2019 ny rano izy ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro; " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:17", "text": "ary hosasana amin\u2019 ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan\u2019 ny azy; dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:18", "text": "Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin\u2019 ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:19", "text": "Ary raha misy vehivavy mararin\u2019 ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:20", "text": "Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin\u2019 ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:21", "text": "Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:22", "text": "Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:23", "text": "Ary raha ao amin\u2019 ny fandriana izany, na ao amin\u2019 ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:24", "text": "Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa. " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:25", "text": "Ary raha misy vehivavy marary mitsi-dr\u00e0 ela, na dia tsy amin\u2019 ny andro fahalotoany amin\u2019 ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin\u2019 ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin\u2019 ny andron\u2019 ny faharariany rehetra, tahaka ny amin\u2019 ny andro fahalotoany ihany. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:26", "text": "Ny fandriana rehetra andriany amin\u2019 ny andron\u2019 ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin\u2019 ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin\u2019 ny fadim-bolany. " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:27", "text": "Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano izy ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:28", "text": "Fa raha sitrana amin\u2019 ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:29", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin\u2019 ny mpisorona, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:30", "text": "Dia haterin\u2019 ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:31", "text": "Dia hampisarahinareo amin\u2019 ny fahalotoany ny Zanak\u2019 Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany. " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:32", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny marary mitsika, sy ny amin\u2019 izay ialan\u2019 ny azy, ka mahaloto azy izany, " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "Leviticus 15:33", "text": "ary ny amin\u2019 ny mararin\u2019 ny fadim-bolany, ary ny amin\u2019 ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin\u2019 izay mandry amin\u2019 ny vehivavy maloto. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Leviticus 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak\u2019 i Arona, tamin\u2019 izy nanatona teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka maty; " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:2", "text": "dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Lazao amin\u2019 i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna izy; dia ao anatin\u2019 ny efitra lamba, eo anoloan\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin\u2019 ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin\u2019 ny rahona eo ambonin\u2019 ny rakotra fanaovam-panatovana Aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:3", "text": "Ary izao no ho entin\u2019 i Arona, raha miditra ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna izy: vantotr\u2019 ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:4", "text": "Akanjo lava mas\u00ecna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana mas\u00ecna ireo, ka handro amin\u2019 ny rano izy vao hiakanjo azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:5", "text": "Ary ny fiangonan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:6", "text": "Dia hampanatonin\u2019 i Arona ny vantotr\u2019 ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an\u2019 ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an\u2019 ny tenany sy ny ankohonany izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:7", "text": "Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan\u2019 i Jehovah, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:8", "text": "Dia hanaovan\u2019 i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an\u2019 i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an\u2019 i Azazela. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:9", "text": "Ary hampanatonin\u2019 i Arona ny osilahy izay niharan\u2019 ny filokana ho an\u2019 i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:10", "text": "Fa ny osilahy izay niharan\u2019 ny filokana ho an\u2019 i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan\u2019 i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an\u2019 i Azazela. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:11", "text": "Ary hampanatonin\u2019 i Arona ny vantotr\u2019 ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an\u2019 ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr\u2019 ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an\u2019 ny tenany. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:12", "text": "Dia haka vain\u2019 afo eran\u2019 ny fitondran\u2019 afo avy amin\u2019 ny alitara eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin\u2019 ny efitra lamba. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:13", "text": "Ary hataony eo amin\u2019 ny afo eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan\u2019 ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin\u2019 ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:14", "text": "Dia hangalany ny ran\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy ka hafafin\u2019 ny fanondrony amin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin\u2019 ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny r\u00e0 impito amin\u2019 ny fanondrony. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:15", "text": "Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an\u2019 ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin\u2019 ny efitra lamba ny r\u00e0ny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin\u2019 ny ran\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy ihany ka hafafiny eo amin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:16", "text": "Dia hanao fanavotana ho an\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna izy noho ny fahalotoan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an\u2019 ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan\u2019 ny fahalotoany. " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:17", "text": "Ary aza avela hisy olona ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an\u2019 ny tenany sy ny ankohonany ary ho an\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:18", "text": "Dia hivoaka ho eo amin\u2019 ny alitara eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an\u2019 ny alitara; dia hangalany ny ran\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ran\u2019 ny osilahy ka hatentiny amin\u2019 ny tandroky ny alitara eo amin\u2019 ny zorony efatra. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:19", "text": "Dia hofafazany ny r\u00e0 impito amin\u2019 ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin\u2019 ny fahalotoan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:20", "text": "Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona. " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:21", "text": "Dia hapetrak\u2019 i Arona amin\u2019 ny lohan\u2019 ny osilahy velona ny t\u00e0nany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin\u2019 ny lohan\u2019 ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin\u2019 ny lehilahy voatendry hankany an-efitra. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:22", "text": "Ary ho entin\u2019 ny osilahy ho any an-efitra ny helok\u2019 izy rehetra; dia halefany any ny osilahy. " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:23", "text": "Dia hiditra ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna izy, ka hamela azy ao. " }, { "verse": 24, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:24", "text": "Dia handro amin\u2019 ny rano eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an\u2019 ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an\u2019 ny olona ka hanao fanavotana ho an\u2019 ny tenany sy ny olona. " }, { "verse": 25, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:25", "text": "Ary ny saboran\u2019 ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 26, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:26", "text": "Ary ilay mandefa ny osilahy ho an\u2019 i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin\u2019 ny rano, vao mahazo mankeo an-toby. " }, { "verse": 27, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:27", "text": "Ary ny vantotr\u2019 ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ny r\u00e0ny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan\u2019 ny amin\u2019 ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany. " }, { "verse": 28, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:28", "text": "Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano, vao mahazo mankeo an-toby. " }, { "verse": 29, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:29", "text": "Ary izao no ho lal\u00e0na mandrakizay ho anareo: amin\u2019 ny andro fahafolo amin\u2019 ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo. " }, { "verse": 30, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:30", "text": "Fa amin\u2019 izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin\u2019 ny fahotanareo rehetra eo anatrehan\u2019 i Jehovah ianareo " }, { "verse": 31, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:31", "text": "Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lal\u00e0na mandrakizay izany. " }, { "verse": 32, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:32", "text": "Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana mas\u00ecna. " }, { "verse": 33, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:33", "text": "Dia hanao fanavotana ho an\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna izy sy ho an\u2019 ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin\u2019 ny fiangonana. " }, { "verse": 34, "chapter": 16, "name": "Leviticus 16:34", "text": "Ary ho lal\u00e0na mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin\u2019 ny fahotany rehetra. Dia nataon\u2019 i Arona araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Leviticus 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:2", "text": "Mitenena amin\u2019 i Arona sy ny zanany ary ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:3", "text": "Na iza na iza amin\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely no mamono omby, na zanak\u2019 ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan\u2019 ny toby, " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:4", "text": "ka tsy mitondra azy ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an\u2019 i Jehovah eo anoloan\u2019 ny tabernakelin\u2019 i Jehovah, dia ho meloka noho ny r\u00e0 nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny izy, " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:5", "text": "mba ho entin\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely ho an\u2019 i Jehovah eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, ho amin\u2019 ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:6", "text": "Ary ny mpisorona hanopy ny r\u00e0 amin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:7", "text": "Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an\u2019 ny Se\u00efrima izay nijangajangany. Ho lal\u00e0na mandrakizay hatramin\u2019 ny taranany fara mandimby izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:8", "text": "Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely, na amin\u2019 ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0, " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:9", "text": "ka tsy mitondra azy ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an\u2019 i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:10", "text": "Ary na iza na iza amin\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely, na amin\u2019 ny vahiny eo aminareo, no mihinan-dr\u00e0, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-dr\u00e0, ka hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:11", "text": "Fa ny ain\u2019 ny nofo dia amin\u2019 ny r\u00e0; ary nomeko anareo izany hatao ambonin\u2019 ny alitara hanao fanavotana ho an\u2019 ny ainareo, fa ny r\u00e0 no manao fanavotana, satria aina izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:12", "text": "Koa izany no nilazako tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dr\u00e0, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:13", "text": "Na iza na iza amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, na amin\u2019 ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin\u2019 ny tany ny r\u00e0ny ka hototofany; " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:14", "text": "fa ny amin\u2019 ny amin\u2019 ny nofo rehetra, dia ny r\u00e0ny no ainy; koa izany no nilazako tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran\u2019 ny nofo; fa ny r\u00e0ny no ain\u2019 ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:15", "text": "Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin\u2019 ny rano, ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro izy, vao hadio. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "Leviticus 17:16", "text": "Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Leviticus 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo: " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:3", "text": "Aza manao araka ny fanaon\u2019 ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon\u2019 ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:4", "text": "Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:5", "text": "Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin\u2019 izany izy: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:6", "text": "Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:7", "text": "Aza mandry amin\u2019 izay nandrian\u2019 ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:8", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny renikelinao; fa nandrian\u2019 ny rainao izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:9", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:10", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin\u2019 ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian\u2019 izy roa. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:11", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:12", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:13", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:14", "text": "Aza mandry amin\u2019 izay nandrian\u2019 ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin\u2019 ny rahalahin-drainao izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:15", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny vinantovavinao; fa vadin\u2019 ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:16", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny vadin-drahalahinao; fa nandrian\u2019 ny rahalahinao izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:17", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin\u2019 ny zananilahy, na ny zanakavavin\u2019 ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:18", "text": "Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin\u2019 ny rahavaviny izay mbola velona. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:19", "text": "Ary aza mila vehivavy mararin\u2019 ny fadim-bolany handry aminy. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:20", "text": "Ary aza mandry amin\u2019 ny vadin\u2019 ny namanao, handoto ny tenanao aminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:21", "text": "Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an\u2019 i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran\u2019 Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:22", "text": "Aza mandry amin\u2019 ny lehilahy tahaka ny fandry amin\u2019 ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:23", "text": "Ary aza mandry amin\u2019 ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian\u2019 ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:24", "text": "Aza mandoto ny tenanareo amin\u2019 izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan\u2019 ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:25", "text": "Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan\u2019 ny tany ny mponina eo. " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:26", "text": "Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:27", "text": "(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon\u2019 ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany), " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:28", "text": "mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:29", "text": "Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "Leviticus 18:30", "text": "Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon\u2019 ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin\u2019 izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Leviticus 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho mas\u00ecna ianareo, satria mas\u00ecna Aho, Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:3", "text": "Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:4", "text": "Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:5", "text": "Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an\u2019 i Jehovah ianareo, dia ataovy amin\u2019 izay hankasitrahana anareo izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:6", "text": "Amin\u2019 izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin\u2019 ny ampitson\u2019 ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin\u2019 ny afo izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:7", "text": "Ary raha hanina amin\u2019 ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana; " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:8", "text": "fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin\u2019 i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny izany olona izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:9", "text": "Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin\u2019 ny vokatrao. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:10", "text": "Ary aza otazana avokoa ny eo amin\u2019 ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin\u2019 ny sahanao; fa avelao ho an\u2019 ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:11", "text": "Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:12", "text": "Aza mianian-tsy t\u00f2 amin\u2019 ny anarako, na manamavo ny anaran\u2019 Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:13", "text": "Aza manao an-keriny amin\u2019 ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman\u2019 izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:14", "text": "Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan\u2019 ny jamba; fa matahora an\u2019 Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:15", "text": "Aza manao izay tsy marina amin\u2019 ny fitsarana; aza miandany foana amin\u2019 ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:16", "text": "Aza mandehandeha manaratsy eo amin\u2019 ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran\u2019 ny namanao: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:17", "text": "Aza mankahala ny rahalahinao amin\u2019 ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:18", "text": "Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin\u2019 izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:19", "text": "Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin\u2019 ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin\u2019 ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:20", "text": "Ary raha misy mandry amin\u2019 ny andevovavy izay voafofon\u2019 olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:21", "text": "Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an\u2019 i Jehovah ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:22", "text": "ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin\u2019 ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan\u2019 i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:23", "text": "Ary raha tonga any amin\u2019 ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina; " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:24", "text": "ary amin\u2019 ny taona fahefatra dia ho mas\u00ecna ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:25", "text": "fa amin\u2019 ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan\u2019 ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 26, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:26", "text": "Aza homana zavatra misy r\u00e0; aza manao sikidy na manandro. " }, { "verse": 27, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:27", "text": "Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao. " }, { "verse": 28, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:28", "text": "Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin\u2019 ny tenanareo: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 29, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:29", "text": "Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. " }, { "verse": 30, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:30", "text": "Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako mas\u00ecna: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 31, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:31", "text": "Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin\u2019 ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 32, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:32", "text": "Mitsang\u00e0na raha eo anatrehan\u2019 ny fotsy volo ianao, ka manaj\u00e0 ny tavan\u2019 ny anti-panahy, ary matahora an\u2019 Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 33, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:33", "text": "Ary raha misy mivahiny aminao eo amin\u2019 ny taninareo, aza manao sarotra aminy. " }, { "verse": 34, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:34", "text": "Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin\u2019 ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 35, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:35", "text": "Aza manao izay tsy marina amin\u2019 ny fitsarana, na amin\u2019 ny fandrefesana, na amin\u2019 ny fandanjana, na amin\u2019 ny famarana. " }, { "verse": 36, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:36", "text": "Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 37, "chapter": 19, "name": "Leviticus 19:37", "text": "Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Leviticus 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:2", "text": "Lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Na iza na iza amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, na amin\u2019 ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an\u2019 i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:3", "text": "Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an\u2019 i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako mas\u00ecna sy hanamavoany ny anarako mas\u00ecna. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:4", "text": "Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an\u2019 i Moloka ny zanany, " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:5", "text": "dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin\u2019 ny fireneny izy mbamin\u2019 izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin\u2019 i Moloka. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:6", "text": "Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin\u2019 ny fireneny izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:7", "text": "Dia manamas\u00ecna ny tenanareo ianareo, ka aoka ho mas\u00ecna ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:8", "text": "Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamas\u00ecna anareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:9", "text": "Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny r\u00e0ny dia ho aminy ihany. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:10", "text": "Ary ny lehilahy mijangajanga amin\u2019 ny vadin\u2019 olona, dia izay mijangajanga amin\u2019 ny vadin\u2019 ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:11", "text": "Ary ny olona izay mandry amin\u2019 ny vadin-drainy dia efa nandry tamin\u2019 izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny r\u00e0ny dia ho aminy ihany. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:12", "text": "Ary raha misy lehilahy mandry amin\u2019 ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny r\u00e0ny dia ho aminy ihany. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:13", "text": "Ary raha misy lehilahy mandry amin\u2019 ny lehilahy, tahaka ny fandry amin\u2019 ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny r\u00e0ny dia ho aminy ihany. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:14", "text": "Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin\u2019 ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:15", "text": "Ary raha misy lehilahy mandry amin\u2019 ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:16", "text": "Ary raha misy vehivavy manatona handry amin\u2019 ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny r\u00e0ny dia ho aminy ihany. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:17", "text": "Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin\u2019 ny rainy, na zanakavavin\u2019 ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason\u2019 ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin\u2019 ny anabaviny ralehilahy ka meloka. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:18", "text": "Ary raha misy lehilahy mandry amin\u2019 ny vehivavy izay mararin\u2019 ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan\u2019 ny r\u00e0ny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan\u2019 ny r\u00e0ny, dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny izy roroa. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:19", "text": "Ary aza mandry amin\u2019 ny rahavavin-dreninao, na amin\u2019 ny anabavin-drainao; fa mandry amin\u2019 ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:20", "text": "Ary raha misy lehilahy mandry amin\u2019 ny vadin\u2019 ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin\u2019 izay nandrian\u2019 ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:21", "text": "Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin\u2019 izay nandrian\u2019 ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:22", "text": "Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:23", "text": "Ary aza manaraka ny fanaon\u2019 ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako. " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:24", "text": "Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin\u2019 ny firenena samy hafa. " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:25", "text": "Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin\u2019 ny biby, na amin\u2019 ny vorona, na amin\u2019 izay rehetra mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:26", "text": "Ary aoka ho mas\u00ecna ho Ahy ianareo, satria mas\u00ecna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin\u2019 ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. " }, { "verse": 27, "chapter": 20, "name": "Leviticus 20:27", "text": "Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny r\u00e0ny dia ho aminy ihany. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Leviticus 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin\u2019 ireo mpisorona, zanak\u2019 i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin\u2019 ny fireneny, " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:2", "text": "afa-tsy amin\u2019 ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny; " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:3", "text": "ary amin\u2019 ny fatin\u2019 ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:4", "text": "Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin\u2019 ny fireneny izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:5", "text": "Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:6", "text": "Ho mas\u00ecna ho an\u2019 Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran\u2019 Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah izy, dia ny hanin\u2019 Andriamaniny, ka dia tokony ho mas\u00ecna. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:7", "text": "Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran\u2019 ny lahy; fa mas\u00ecna ho an\u2019 Andriamaniny ny mpisorona. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:8", "text": "Dia hamasino izy, fa ny hanin\u2019 Andriamanitrao no ateriny; ho mas\u00ecna aminao izy, fa mas\u00ecna Aho Jehovah, Izay manamas\u00ecna anareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:9", "text": "Ary raha ny zanakavavin\u2019 ny mpisorona mandoto ny tenany amin\u2019 ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:10", "text": "Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin\u2019 ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:11", "text": "Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin\u2019 ny rainy aman-dreniny aza. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:12", "text": "Ary aoka tsy hivoaka avy amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna izy, na handoto ny fitoera-masin\u2019 Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran\u2019 Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:13", "text": "Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:14", "text": "Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin\u2019 ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin\u2019 ny fireneny ihany no hampakariny. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:15", "text": "Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin\u2019 ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamas\u00ecna azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:16", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:17", "text": "Mitenena amin\u2019 i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin\u2019 ny zanakao, amin\u2019 ny taranany hatramin\u2019 ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin\u2019 Andriamaniny; " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:18", "text": "Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby, " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:19", "text": "na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana, " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:20", "text": "na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin\u2019 ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:21", "text": "Ny olona rehetra amin\u2019 ny zanak\u2019 i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin\u2019 Andriamaniny. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:22", "text": "Ny hanin\u2019 Andriamaniny, izay avy amin\u2019 ny zavatra mas\u00ecna indrindra sy ny zavatra mas\u00ecna, dia azony hanina ihany; " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:23", "text": "kanefa tsy mahazo miditra ao anatin\u2019 ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako mas\u00ecna izy, fa Izaho Jehovah no manamas\u00ecna azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "Leviticus 21:24", "text": "Ary Mosesy dia nilaza izany tamin\u2019 i Arona sy ny zanany ary ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "Leviticus 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:1", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy, ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:2", "text": "Mitenena amin\u2019 i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin\u2019 ny tsy hanakekeny ny zava-mas\u00ecna izay hamasinin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako mas\u00ecna: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:3", "text": "Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin\u2019 ny zanakareo, hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-mas\u00ecna izay hamasinin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ho an\u2019 i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:4", "text": "Na iza na iza amin\u2019 ny taranak\u2019 i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-mas\u00ecna mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan\u2019 ny azy, " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:5", "text": "na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany, " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:6", "text": "ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro ka tsy hihinana amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna, raha tsy mandro amin\u2019 ny rano. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:7", "text": "Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna, satria fihinany izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:8", "text": "Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:9", "text": "Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin\u2019 ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamas\u00ecna azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:10", "text": "Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-mas\u00ecna; na izay mivahiny ao amin\u2019 ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-mas\u00ecna. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:11", "text": "Fa raha misy olona novidin\u2019 ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin\u2019 izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin\u2019 ny fihinan\u2019 ny mpisorona koa. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:12", "text": "Ary raha misy zanakavavin\u2019 ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin\u2019 ny fanatitra avy amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:13", "text": "Fa raha misy zanakavavin\u2019 ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:14", "text": "Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna, dia honerany ny zava-mas\u00ecna ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina: " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:15", "text": "Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay ateriny ho an\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:16", "text": "na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamas\u00ecna azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:17", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:18", "text": "Mitenena amin\u2019 i Arona sy ny zanany ary ny zanak\u2019 Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely, na amin\u2019 ny vahiny eo amin\u2019 ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an\u2019 i Jehovah ho fanatitra dorana, " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:19", "text": "dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak\u2019 ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:20", "text": "Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:21", "text": "Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an\u2019 i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:22", "text": "Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an\u2019 i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin\u2019 ny afo eo ambonin\u2019 ny alitara ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:23", "text": "Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:24", "text": "Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an\u2019 i Jehovah; ary aza manao izany eo amin\u2019 ny taninareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:25", "text": "Ary raha misy entin\u2019 olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin\u2019 Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:26", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:27", "text": "Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin\u2019 ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:28", "text": "Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany. " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:29", "text": "Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an\u2019 i Jehovah ianareo, dia amin\u2019 izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:30", "text": "Amin\u2019 izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah " }, { "verse": 31, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:31", "text": "Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 32, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:32", "text": "Ary aza manamavo ny anarako mas\u00ecna; fa hohamasinina eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely Aho: Izaho Jehovah, " }, { "verse": 33, "chapter": 22, "name": "Leviticus 22:33", "text": "Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamas\u00ecna anareo; Izaho no Jehovah. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "Leviticus 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Ny amin\u2019 ny fotoam-pivavahana voatendrin\u2019 i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana mas\u00ecna, dia izao no izy: " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:3", "text": "Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana mas\u00ecna; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an\u2019 i Jehovah eny amin\u2019 izay fonenanareo rehetra izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:4", "text": "Izao no fotoam-pivavahana voatendrin\u2019 i Jehovah, dia fivoriana mas\u00ecna hantsoinareo amin\u2019 ny fotoany avy: " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:5", "text": "Ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:6", "text": "Ary ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 izany volana izany dia andro firavoravoana ho an\u2019 i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:7", "text": "Ary amin\u2019 ny andro voalohany dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo; " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:8", "text": "fa manatera fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah hafitoana; ary amin\u2019 ny andro fahafito dia hisy fivoriana mas\u00ecna koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:9", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:10", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin\u2019 ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondr\u00e0 amboara iray amin\u2019 ny voaloham-bokatrareo ho any amin\u2019 ny mpisorona ianareo; " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:11", "text": "ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin\u2019 ny ampitson\u2019 ny Sabata no hanevahevan\u2019 ny mpisorona azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:12", "text": "Ary amin\u2019 izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak\u2019 ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:13", "text": "Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:14", "text": "Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan\u2019 ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an\u2019 Andriamanitrareo; ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby izany eny amin\u2019 izay fonenanareo rehetra. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:15", "text": "Ary manis\u00e0 ho anareo hatramin\u2019 ny ampitson\u2019 ny Sabata, dia hatramin\u2019 izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:16", "text": "Dia amin\u2019 ny ampitson\u2019 ny Sabata fahafito no hahataperan\u2019 ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an\u2019 i Jehovah indray. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:17", "text": "Ary mitondr\u00e0 mofo roa avy amin\u2019 ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin\u2019 ny koba tsara toto roa ampahafolon\u2019 ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:18", "text": "Ary manatera miaraka amin\u2019 ny mofo zanak\u2019 ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr\u2019 ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah ireo mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:19", "text": "Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak\u2019 ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana. " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:20", "text": "Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin\u2019 ny mofon\u2019 ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah mbamin\u2019 ny zanak\u2019 ondrilahy roa koa; ireo dia ho mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah ho anjaran\u2019 ny mpisorona. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:21", "text": "Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana mas\u00ecna ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby izany eny amin\u2019 izay fonenanareo rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:22", "text": "Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin\u2019 ny vokatrao, fa avelao ho an\u2019 ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:23", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:24", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin\u2019 ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin\u2019 ny fitsofana trompetra, ho fivoriana mas\u00ecna. " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:25", "text": "Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:26", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 27, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:27", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahafolo amin\u2019 izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 28, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:28", "text": "Ary aza manao raharaha akory amin\u2019 izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 29, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:29", "text": "Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin\u2019 izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 30, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:30", "text": "Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin\u2019 izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 31, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:31", "text": "Aza manao raharaha akory; ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby izany eny amin\u2019 izay rehetra honenanareo. " }, { "verse": 32, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:32", "text": "Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin\u2019 ny andro fahasivy amin\u2019 ny volana, rehefa hariva dia hatramin\u2019 ny hariva ka hatramin\u2019 ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. " }, { "verse": 33, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:33", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 34, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:34", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Amin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 izany volana fahafolo izany no hiantombohan\u2019 ny andro firavoravoana fitoerana amin\u2019 ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 35, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:35", "text": "Amin\u2019 ny andro voalohany dia hisy fivoriana mas\u00ecna: aza manao tao-zavatra akory. " }, { "verse": 36, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:36", "text": "Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah; ary amin\u2019 ny andro fahavalo dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. " }, { "verse": 37, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:37", "text": "Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin\u2019 i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana mas\u00ecna, hanaterana fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 sy fanatitra aidina, samy amin\u2019 ny fotoany avy izy rehetra, " }, { "verse": 38, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:38", "text": "afa-tsy izay fanao amin\u2019 ny Sabatan\u2019 i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 39, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:39", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an\u2019 i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. " }, { "verse": 40, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:40", "text": "Ary amin\u2019 ny andro voalohany dia mak\u00e0 voan\u2019 ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan\u2019 ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron\u2019 ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. " }, { "verse": 41, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:41", "text": "Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an\u2019 i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby izany; amin\u2019 ny volana fahafito no hitandremanareo azy. " }, { "verse": 42, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:42", "text": "Ao amin\u2019 ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely dia samy hitoetra ao amin\u2019 ny trano rantsan-kazo avokoa, " }, { "verse": 43, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:43", "text": "mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak\u2019 Isiraely tao amin\u2019 ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 44, "chapter": 23, "name": "Leviticus 23:44", "text": "Ary Mosesy dia nilaza tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "Leviticus 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:2", "text": "Mandidia ny Zanak\u2019 Isiraely hitondra aminao diloilon\u2019 oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:3", "text": "Eo ivelan\u2019 ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, no handaharan\u2019 i Arona azy, hatramin\u2019 ny hariva ka hatramin\u2019 ny maraina, eo anatrehan\u2019 i Jehovah mandrakariva; ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:4", "text": "Eo amin\u2019 ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:5", "text": "Ary mak\u00e0 koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin\u2019 ny folo; roa ampahafolon\u2019 ny efaha no hatao mofo iray. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:6", "text": "Ary mandahara ireo eo ambonin\u2019 ny latabatra tsara eo anatrehan\u2019 i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:7", "text": "Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin\u2019 ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:8", "text": "Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan\u2019 i Jehovah; ho avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:9", "text": "Ary ho an\u2019 i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin\u2019 izay fitoerana mas\u00ecna; fa mas\u00ecna dia mas\u00ecna ho an\u2019 ny mpisorona izany avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo: lal\u00e0na mandrakizay izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:10", "text": " Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:11", "text": "Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin\u2019 i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin\u2019 i Dibry avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Dana izy); " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:12", "text": "ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:13", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:14", "text": "Avoahy ho eny ivelan\u2019 ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:15", "text": "Ary mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an\u2019 Andriamaniny dia ho meloka, " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:16", "text": "Fa izay miteny ratsy ny anaran\u2019 i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:17", "text": "Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:18", "text": "Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon\u2019 ny biby. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:19", "text": "Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa: " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:20", "text": "tapaka solon\u2019 ny tapaka, maso solon\u2019 ny maso, nify solon\u2019 ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin\u2019 ny olona no hatao aminy kosa. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:21", "text": "Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:22", "text": "Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "Leviticus 24:23", "text": "Ary Mosesy niteny tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia navoakany teny ivelan\u2019 ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak\u2019 Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "Leviticus 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin\u2019 ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an\u2019 ny tany, dia sabata ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:3", "text": "Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra; " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:4", "text": "fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an\u2019 ny tany, dia sabata ho an\u2019 i Jehovah; aza mamafy amin\u2019 ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:5", "text": "Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin\u2019 ny voa nihintsana tamin\u2019 ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin\u2019 izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an\u2019 ny tany izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:6", "text": "Ary izay maniry ho azy amin\u2019 ny sabatan\u2019 ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:7", "text": "sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin\u2019 ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:8", "text": "Ary manis\u00e0 sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron\u2019 ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona. " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:9", "text": "Dia mitsofa anjomara avo feo amin\u2019 ny andro fahafolo amin\u2019 ny volana fahafito; dia amin\u2019 ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran\u2019 ny taninareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:10", "text": "Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin\u2019 ny tany ho an\u2019 ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin\u2019 ny taninareo avy ianareo sy any amin\u2019 ny mpianakavinareo avy. " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:11", "text": "Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin\u2019 ny voa nihintsana tamin\u2019 ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin\u2019 izay tsy namboarinareo; " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:12", "text": "fa Jobily izany ka ho mas\u00ecna ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:13", "text": "Amin\u2019 izany taona Jobily izany dia samy hody amin\u2019 ny taninareo avy ianareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:14", "text": "Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin\u2019 ny namanao ianao, aza misy manao sarotra: " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:15", "text": "araka ny isan\u2019 ny taona aorian\u2019 ny Jobily no hividiananao amin\u2019 ny namanao; ary araka ny isan\u2019 ny fararano no hivarotany aminao. " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:16", "text": "Araka ny hamaron\u2019 ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin\u2019 ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan\u2019 ny fararano no hivarotany aminao. " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:17", "text": "Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an\u2019 Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:18", "text": "Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin\u2019 ny tany ianareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:19", "text": "Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay. " }, { "verse": 20, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:20", "text": "Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin\u2019 ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray; " }, { "verse": 21, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:21", "text": "dia hataoko aminareo ny fitahiako amin\u2019 ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin\u2019 ny telo taona. " }, { "verse": 22, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:22", "text": "Ary hamafy amin\u2019 ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan\u2019 ny taona fahasivy; mandra-pahatongan\u2019 ny vao no hihinananareo ny tranainy. " }, { "verse": 23, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:23", "text": "Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:24", "text": "Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin\u2019 ny tany rehetra izay lovanareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:25", "text": "Raha t\u00e0hiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 26, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:26", "text": "Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy, " }, { "verse": 27, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:27", "text": "dia aoka hanisa ny taona hatramin\u2019 ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an\u2019 ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin\u2019 ny taniny izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:28", "text": "Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-t\u00e0nan\u2019 ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan\u2019 ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin\u2019 ny Jobily, ka hody amin\u2019 ny taniny ralehilahy. " }, { "verse": 29, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:29", "text": "Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin\u2019 izany no hahazoany manavotra azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:30", "text": "Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an\u2019 izay nividy azy sy ho an\u2019 ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin\u2019 ny Jobily aza. " }, { "verse": 31, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:31", "text": "Fa ny trano ao amin\u2019 ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin\u2019 ny Jobily. " }, { "verse": 32, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:32", "text": "Kanefa ny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Levita, ny trano ao amin\u2019 ny tan\u00e0na izay ho anjarany dia ho azon\u2019 ny Levita avotana ihany na oviana na oviana. " }, { "verse": 33, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:33", "text": "Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin\u2019 ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tan\u00e0na izay anjarany; fa ny trano ao an-tan\u00e0nan\u2019 ny Levita dia lovany ao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 34, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:34", "text": "Fa ny tany manodidina ny tan\u00e0nany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany. " }, { "verse": 35, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:35", "text": "Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy. " }, { "verse": 36, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:36", "text": "Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an\u2019 Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao. " }, { "verse": 37, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:37", "text": "Aza mampan\u00e0na vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony: " }, { "verse": 38, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:38", "text": "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo. " }, { "verse": 39, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:39", "text": "Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy; " }, { "verse": 40, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:40", "text": "f\u00e0 aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan\u2019 ny taona Jobily no hanompoany anao. " }, { "verse": 41, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:41", "text": "Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin\u2019 ny mpianakaviny sy amin\u2019 ny tanin-drazany koa. " }, { "verse": 42, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:42", "text": "Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo. " }, { "verse": 43, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:43", "text": "Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an\u2019 Andriamanitrao. " }, { "verse": 44, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:44", "text": "Ary ny amin\u2019 izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin\u2019 ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy. " }, { "verse": 45, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:45", "text": "Ary amin\u2019 ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin\u2019 ny taranany izay haterany eo amin\u2019 ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany. " }, { "verse": 46, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:46", "text": "Ary hataonareo lovan\u2019 ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak\u2019 Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra. " }, { "verse": 47, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:47", "text": "Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin\u2019 ny vahiny eo aminao, na amin\u2019 ny taranaky ny vahiny; " }, { "verse": 48, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:48", "text": "na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin\u2019 ny rahalahiny no mahazo manavotra azy: " }, { "verse": 49, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:49", "text": "na ny rahalahin-drainy, na ny zanak\u2019 olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin\u2019 ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy. " }, { "verse": 50, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:50", "text": "Ary dia hisainy amin\u2019 izay nividy azy hatramin\u2019 ny taona nivarotana azy ka hatramin\u2019 ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan\u2019 ny taona; dia ara-kevitry ny andron\u2019 ny mpikarama no hiheverana azy. " }, { "verse": 51, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:51", "text": "Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin\u2019 ny vola vidiny teo aloha. " }, { "verse": 52, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:52", "text": "Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan\u2019 ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony. " }, { "verse": 53, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:53", "text": "Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy. " }, { "verse": 54, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:54", "text": "Ary raha tsy voavotra amin\u2019 izay izy, dia ho afaka amin\u2019 ny taona Jobily izy sy ny zanany koa. " }, { "verse": 55, "chapter": 25, "name": "Leviticus 25:55", "text": "Fa mpanompoko ny Zanak\u2019 Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "Leviticus 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:1", "text": " Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin\u2019 ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:2", "text": "Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako mas\u00ecna: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:3", "text": "Raha manaraka ny lal\u00e0ko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankat\u00f2 izany, " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:4", "text": "dia hanome anareo ranonorana amin\u2019 ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:5", "text": "Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin\u2019 ny taninareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:6", "text": "Any homeko fiadanana eo amin\u2019 ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin\u2019 ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:7", "text": "Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:8", "text": "Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:9", "text": "Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho. " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:10", "text": "Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:11", "text": "Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan\u2019 ny fanahiko ianareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:12", "text": "Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko. " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:13", "text": "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro, " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:14", "text": "Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankat\u00f2 ireo didy rehetra ireo, " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:15", "text": "ary hamavoinareo ny didiko, na halan\u2019 ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko, " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:16", "text": "Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:17", "text": "Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan\u2019 ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:18", "text": "Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin\u2019 izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:19", "text": "Ary horavako ny reharehan\u2019 ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana; " }, { "verse": 20, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:20", "text": "fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 21, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:21", "text": "Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo. " }, { "verse": 22, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:22", "text": "Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra. " }, { "verse": 23, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:23", "text": "Any raha tsy mandray ny anatro amin\u2019 izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany, " }, { "verse": 24, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:24", "text": "Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:25", "text": "Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin\u2019 ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin\u2019 ny tan\u00e0nanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-t\u00e0nan\u2019 ny fahavalo ianareo. " }, { "verse": 26, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:26", "text": "Raha tapahiko ny vary, izay tohan\u2019 ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan\u2019 ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky. " }, { "verse": 27, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:27", "text": "Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin\u2019 izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany, " }, { "verse": 28, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:28", "text": "dia hamely anareo amin\u2019 ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo. " }, { "verse": 29, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:29", "text": "Dia hihinana ny nofon\u2019 ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo. " }, { "verse": 30, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:30", "text": "Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an\u2019 ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin\u2019 ny fatin\u2019 ny sampinareo, ary ho halan\u2019 ny fanahiko ianareo. " }, { "verse": 31, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:31", "text": "Ary horavako ny tan\u00e0nanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana. " }, { "verse": 32, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:32", "text": "Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin\u2019 izany ny fahavalonareo izay monina eo. " }, { "verse": 33, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:33", "text": "Ary ianareo dia haeliko any amin\u2019 ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tan\u00e0nanareo ho rava. " }, { "verse": 34, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:34", "text": "Ary amin\u2019 izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin\u2019 ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany; " }, { "verse": 35, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:35", "text": "amin\u2019 ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon\u2019 izay tsy nitsaharany tamin\u2019 ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo. " }, { "verse": 36, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:36", "text": "Ary ny amin\u2019 ny sisa aminareo any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon\u2019 ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza. " }, { "verse": 37, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:37", "text": "Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan\u2019 ny fahavalonareo ianareo. " }, { "verse": 38, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:38", "text": "Any dia ho lany ringana any amin\u2019 ny jentilisa ianareo, any ho lanin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalonareo ianareo. " }, { "verse": 39, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:39", "text": "Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa. " }, { "verse": 40, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:40", "text": "Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin\u2019 ny nanoherany Ahy, " }, { "verse": 41, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:41", "text": "ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalony, raha hietry amin\u2019 izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin\u2019 ny helony izy, " }, { "verse": 42, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:42", "text": "dia hotsarovako ny fanekeko tamin\u2019 i Jakoba sy ny fanekeko tamin\u2019 Isaka ary ny fanekeko tamin\u2019 i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany. " }, { "verse": 43, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:43", "text": "Ary ny tany hilaozan\u2019 ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin\u2019 ny helony, satria nand\u00e0 ny fitsipiko Izy, ary halan\u2019 ny fanahiny ny didiko. " }, { "verse": 44, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:44", "text": "Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. " }, { "verse": 45, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:45", "text": "Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin\u2019 ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta teo Imason\u2019 ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 46, "chapter": 26, "name": "Leviticus 26:46", "text": "lreo no didy sy fitsipika ary lal\u00e0na izay nataon\u2019 i Jehovah ho aminy sy amin\u2019 ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "Leviticus 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:2", "text": "Mltenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an\u2019 i Jehovah izy araka izay hataonao tombany. " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:3", "text": "Ary ny hataonao tomban\u2019 ny lehilahy hatramin\u2019 ny roa-polo taona ka hatramin\u2019 ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely mas\u00ecna; " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:4", "text": "fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:5", "text": "Ary raha hatramin\u2019 ny dimy taona ka hatramin\u2019 ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban\u2019 ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:6", "text": "Ary raha hatramin\u2019 ny iray volana ka hatramin\u2019 ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban\u2019 ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban\u2019 ny zazavavy. " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:7", "text": "Ary raha hatramin\u2019 ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin\u2019 ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:8", "text": "Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan\u2019 ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan\u2019 ilay nivoady no hanombanan\u2019 ny mpisorona azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:9", "text": "Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah, dia ho mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah izay rehetra omena amin\u2019 izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:10", "text": "Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon\u2019 ny ratsy, na ny ratsy ho solon\u2019 ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho mas\u00ecna Izy sy ny takalony. " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:11", "text": "Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan\u2019 ny mpisorona izy; " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:12", "text": "ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:13", "text": "Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany. " }, { "verse": 14, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:14", "text": "Ary raha misy olona manamas\u00ecna ny tranony ho an\u2019 i Jehovah, dia hotombanan\u2019 ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon\u2019 ny mpisorona tombany no izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:15", "text": "Ary raha tian\u2019 ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano. " }, { "verse": 16, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:16", "text": "Ary raha misy olona manamas\u00ecna ho an\u2019 Jehovah ny sasany amin\u2019 ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo. " }, { "verse": 17, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:17", "text": "Raha misy manamas\u00ecna ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:18", "text": "Fa raha misy manamas\u00ecna ny taniny ao aorian\u2019 ny Jobily, dia holazain\u2019 ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin\u2019 ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany. " }, { "verse": 19, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:19", "text": "Ary raha tian\u2019 ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:20", "text": "Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin\u2019 olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:21", "text": "Fa raha afaka amin\u2019 ny Jobily ny tany, dia ho mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony. " }, { "verse": 22, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:22", "text": "Ary raha misy manamas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin\u2019 ny zara-taniny, " }, { "verse": 23, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:23", "text": "dia holazain\u2019 ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin\u2019 ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin\u2019 izany andro izany izy ho zava-mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 24, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:24", "text": "Amin\u2019 ny taona Jobily no hodian\u2019 ny tany amin\u2019 izay nividianana azy, dia ho an\u2019 izay tompon-dova. " }, { "verse": 25, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:25", "text": "Ary ny tombany rehetra izay hataonao dia ho araka ny sekely mas\u00ecna: ho gera roa-polo ny sekely iray. " }, { "verse": 26, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:26", "text": "Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an\u2019 i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:27", "text": "Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany. " }, { "verse": 28, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:28", "text": "Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan\u2019 ny olona ho an\u2019 i Jehovah amin\u2019 izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; mas\u00ecna dia mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana. " }, { "verse": 29, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:29", "text": "Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa. " }, { "verse": 30, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:30", "text": "Ary ny ampahafolon\u2019 ny vokatra rehetra ao amin\u2019 ny tany, na avy amin\u2019 ny tanimbary, na avy amin\u2019 ny saha, dia an\u2019 i Jehovah; mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 31, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:31", "text": "Ary raha misy tian\u2019 ny tompony havotana ny ampahafolon\u2019 ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:32", "text": "Ary ny amin\u2019 ny ampahafolon\u2019 ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon\u2019 izay rehetra mandalo eo ambanin\u2019 ny tehin\u2019 ny mpiandry, ho mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 33, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:33", "text": "Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho mas\u00ecna avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana. " }, { "verse": 34, "chapter": 27, "name": "Leviticus 27:34", "text": "Ireo no didy izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy ho amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay. " } ] } ] }, { "name": "Numbers", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Numbers 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy tany an-efitr\u2019 i Sinay, tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana faharoa, tamin\u2019 ny taona faharoa taorian\u2019 ny nivoahany avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:2", "text": "Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay, " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:3", "text": "dia ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:4", "text": "Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:5", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin\u2019 i Robena dia Elizora, zanak\u2019 i Sedeora; " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:6", "text": "ny avy amin\u2019 i Simeona dia Selomiela, zanak\u2019 i Zorisaday; " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:7", "text": "ny avy amin\u2019 i Joda dia Nasona, zanak\u2019 i Aminadaba; " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:8", "text": "ny avy amin\u2019 Isakara dia Netanela, zanak\u2019 i Zoara; " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:9", "text": "ny avy amin\u2019 i Zebolona dia Eliaba, zanak\u2019 i Helona; " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:10", "text": "ny avy amin\u2019 ny zanak\u2019 i Josefa dia Elisama, zanak\u2019 i Amihoda, avy amin\u2019 i Efraima, ary Gamaliela, zanak\u2019 i Pedazora, avy amin\u2019 i Manase kosa; " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:11", "text": "ny avy amin\u2019 i Benjamina dia Abidana, zanak\u2019 i Gideony; " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:12", "text": "ny avy amin\u2019 i Dana dia Ahiezera, zanak\u2019 i Amisaday; " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:13", "text": "ny avy amin\u2019 i Asera dia Fagiela, zanak\u2019 i Okrana; " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:14", "text": "ny avy amin\u2019 i Gada dia Eliasafa, zanak\u2019 i Doela; " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:15", "text": "ny avy amin\u2019 i Naftaly dia Ahira, zanak\u2019 i Enana. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:16", "text": "Ireo no voafidin\u2019 ny fiangonana, dia samy lohan\u2019 ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:17", "text": "Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo, " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:18", "text": "dia namory ny fiangonana rehetra tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:19", "text": "Araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr\u2019 Sinay. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:20", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Robena, lahimatoan\u2019 Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:21", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:22", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:23", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:24", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:25", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:26", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:27", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina. " }, { "verse": 28, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:28", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 29, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:29", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 30, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:30", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 31, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:31", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 32, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:32", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa: dia avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 33, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:33", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Efraima dia diman-jato amby efatra alina; " }, { "verse": 34, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:34", "text": "ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 35, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:35", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina. " }, { "verse": 36, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:36", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 37, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:37", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina. " }, { "verse": 38, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:38", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 39, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:39", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina. " }, { "verse": 40, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:40", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika " }, { "verse": 41, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:41", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 42, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:42", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, " }, { "verse": 43, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:43", "text": "izay voalamina avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 44, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:44", "text": "Ireo no voalamin\u2019 i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin\u2019 ny folo lahy lehibe amin\u2019 ny Isiraely, izay samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy. " }, { "verse": 45, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:45", "text": "Ary izay rehetra avy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin\u2019 ny Isiraely, " }, { "verse": 46, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:46", "text": "dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy. " }, { "verse": 47, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:47", "text": " Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan\u2019 ireo. " }, { "verse": 48, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:48", "text": "Fa Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 49, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:49", "text": "Ny firenen\u2019 ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; " }, { "verse": 50, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:50", "text": "fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin\u2019 ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. " }, { "verse": 51, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:51", "text": "Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. " }, { "verse": 52, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:52", "text": "Dia hitoby ny Zanak\u2019 Isiraely, samy eo amin\u2019 ny tobiny avy, ary samy eo amin\u2019 ny fanevany ary, araka ny antokony. " }, { "verse": 53, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:53", "text": "Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin\u2019 ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin\u2019 ny Vavolombelona. " }, { "verse": 54, "chapter": 1, "name": "Numbers 1:54", "text": "Dia nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy no nataony. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Numbers 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:2", "text": "Samy eo amin\u2019 ny fanevany sy eo amin\u2019 ny faneva kelin\u2019 ny fianakaviany avy no hitobian\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:3", "text": "Ary ny hitoby eo amin\u2019 ny lafiny atsinanana, tandrifin\u2019 ny fiposahan\u2019 ny masoandro, dia izay momba ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Joda dia Nasona, zanak\u2019 i Aminadaba; " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:4", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:5", "text": "Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen\u2019 Isakara; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 Isakara dia Netanela, zanak\u2019 i Zoara; " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:6", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:7", "text": "Dia vao ny firenen\u2019 i Zebolona; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Zebolona dia Eliaba, zanak\u2019 i Helona; " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:8", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:9", "text": "Ny tontalin\u2019 izay nalamina teo amin\u2019 ny tobin\u2019 i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:10", "text": "Ary ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 i Robena no ho eo amin\u2019 ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Robena dia Elizora, zanak\u2019 Sedeora; " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:11", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:12", "text": "Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen\u2019 i Simeona; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Simeona dia Selomiela, zanak\u2019 i Zorisaday; " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:13", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:14", "text": "Dia vao ny firenen\u2019 i Gada; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Gada dia Eliasafa, zanak\u2019 i Roela; " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:15", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:16", "text": "Ny tontalin\u2019 izay nalamina teo amin\u2019 ny tobin\u2019 i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:17", "text": "Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin\u2019 ny Levita, eo afovoan\u2019 ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin\u2019 ny filaharany avy, araka ny fanevany. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:18", "text": "Ary ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin\u2019 ny lafiny andrefana; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima dia Elisama, zanak\u2019 i Amihoda; " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:19", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:20", "text": "Ary ny firenen\u2019 i Manase ho eo anilany; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Manase dia Gamaliela, zanak\u2019 i Pedazora; " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:21", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:22", "text": "Dia vao ny firenen\u2019 i Benjamina; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina dia Abidana, zanak\u2019 i Gideony; " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:23", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina. " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:24", "text": "Ny tontalin\u2019 izay nalamina teo amin\u2019 ny tobin\u2019 i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:25", "text": "Ary ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin\u2019 ny lafiny avaratra; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Dana dia Ahiezera, zanak\u2019 i Amisaday; " }, { "verse": 26, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:26", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina. " }, { "verse": 27, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:27", "text": "Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen\u2019 i Asera; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Asera dia Pagiela, zanak\u2019 i Okrana; " }, { "verse": 28, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:28", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 29, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:29", "text": "Dia vao ny firenen\u2019 i Naftaly; ary ny lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Naftaly dia Ahira, zanak\u2019 i Enana; " }, { "verse": 30, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:30", "text": "ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 31, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:31", "text": "Ny tontalin\u2019 izay nalamina teo amin\u2019 ny tobin\u2019 i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana. " }, { "verse": 32, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:32", "text": "Ireo no nalamina avy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin\u2019 izay nalamina tamin\u2019 ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy. " }, { "verse": 33, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:33", "text": "Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 34, "chapter": 2, "name": "Numbers 2:34", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Numbers 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:1", "text": " Ary izao no taranak\u2019 i Arona sy Mosesy tamin\u2019 ny andro nitenenan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:2", "text": "Ny anaran\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:3", "text": "Ireo no anaran\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:4", "text": "Fa maty teo anatrehan\u2019 i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin\u2019 izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan\u2019 i Jehovah tany an-efitr\u2019 i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan\u2019 i Arona rainy. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:5", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:6", "text": "Ento ny firenen\u2019 i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan\u2019 i Arona mpisorona mba hanompo azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:7", "text": "Dia hitandrina ny anjara-raharahan\u2019 i Arona sy ny anjara raharahan\u2019 ny fiangonana rehetra eo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:8", "text": "Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:9", "text": "Ary homenao an\u2019 i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ireo. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:10", "text": "Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:11", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:12", "text": "Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ho solon\u2019 ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: dia Ahy ny Levita, " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:13", "text": "satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin\u2019 ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin\u2019 ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin\u2019 ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:14", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy tany an-efitr\u2019 i Sinay ka nanao hoe: " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:15", "text": "Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra no halaminao. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:16", "text": "Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin\u2019 i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:17", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:18", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:19", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:20", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon\u2019 ny Levita, araka ny fianakaviany. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:21", "text": "Avy tamin\u2019 i Gersona ny fokon\u2019 ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon\u2019 ny Gersonita. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:22", "text": "Ary izay nalamina, araka ny isan\u2019 ny lahy rehetra hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:23", "text": "Ny fokon\u2019 ny Gersonita dia hitoby eo ivohon\u2019 ny tabernakely, dia eo andrefany. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:24", "text": "Ary ny lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny Gersonka dia Efiasafa, zanak\u2019 i Laela. " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:25", "text": "Ary ny anjara-raharahan\u2019 ny zanak\u2019 i Gersona eo amin\u2019 ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:26", "text": "ary ny fefi-lamban\u2019 ny kianja sy ny vavahady lamba amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy. " }, { "verse": 27, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:27", "text": "Ary avy tamin\u2019 i Kehata ny fokon\u2019 ny Amramita sy ny fokon\u2019 ny Jizarita sy ny fokon\u2019 ny Hebronita ary ny fokon\u2019 ny Ozielita; ireo no fokon\u2019 ny Kehatita. " }, { "verse": 28, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:28", "text": "Ny isan\u2019 ny lahy rehetra hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana mas\u00ecna, dia enin-jato amby valo arivo. " }, { "verse": 29, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:29", "text": "Ny fokon\u2019 ny zanak\u2019 i Kehata dia hitoby eo amin\u2019 ny lafiny atsimo amin\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 30, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:30", "text": "Ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana amin\u2019 ny fokon\u2019 ny Kehatita dia Elisafana, zanak\u2019 i Oziela. " }, { "verse": 31, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:31", "text": "Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana mas\u00ecna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin\u2019 ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy. " }, { "verse": 32, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:32", "text": "Ary ny lehiben\u2019 ny lohan\u2019 ny Levita dia Eleazara, zanak\u2019 i Arona mpisorona, izay lehiben\u2019 ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna. " }, { "verse": 33, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:33", "text": "Avy tamin\u2019 i Merary ny fokon\u2019 ny Malita sy ny fokon\u2019 ny Mosita; Ireo no fokon\u2019 i Merary. " }, { "verse": 34, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:34", "text": "Ary izay nalamina, araka ny isan\u2019 ny lahy rehetra hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo, " }, { "verse": 35, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:35", "text": "Ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana amin\u2019 ny fokon\u2019 i Merary dia Zoriela, zanak\u2019 i Abihaila; ireo no hitoby eo amin\u2019 ny lafiny avaratra amin\u2019 ny tabernakely. " }, { "verse": 36, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:36", "text": "Ary ny anjara-raharahan\u2019 ny zanak\u2019 i Merary dia ny zana-kazo amin\u2019 ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao, " }, { "verse": 37, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:37", "text": "ary ny tsangantsangan\u2019 ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny. " }, { "verse": 38, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:38", "text": "Ary ny mitoby eo anoloan\u2019 ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana, tandrifin\u2019 ny fiposahan\u2019 ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana mas\u00ecna, dia ny anjara-raharahan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. " }, { "verse": 39, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:39", "text": "Ny tontalin\u2019 izay nalamina avy tamin\u2019 ny Levita, dia izay nalamin\u2019 i Mosesy sy Arona araka ny didin\u2019 i Jehovah, avy tamin\u2019 ny fokony, ny lahy rehetra hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina. " }, { "verse": 40, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:40", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany. " }, { "verse": 41, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:41", "text": "Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon\u2019 ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin\u2019 ny Levita ho solon\u2019 ny voalohan-teraka rehetra amin\u2019 ny biby fiompin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 42, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:42", "text": "Dia nalamin\u2019 i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 43, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:43", "text": "Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina. " }, { "verse": 44, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:44", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 45, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:45", "text": "Alao ny Levita ho solon\u2019 ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary ny biby fiompin\u2019 ny Levita ho solon\u2019 ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 46, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:46", "text": "Ary ny amin\u2019 ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin\u2019 ny lahimatoan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita, " }, { "verse": 47, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:47", "text": "dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely mas\u00ecna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray). " }, { "verse": 48, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:48", "text": "Dia homenao an\u2019 i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr\u2019 ireo mihoatra isa ireo. " }, { "verse": 49, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:49", "text": "Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita; " }, { "verse": 50, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:50", "text": "tamin\u2019 ny lahimatoan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely mas\u00ecna; " }, { "verse": 51, "chapter": 3, "name": "Numbers 3:51", "text": "dia nomen\u2019 i Mosesy an\u2019 i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin\u2019 i Jehovah, dia araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Numbers 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:2", "text": "Alao isa ny taranak\u2019 i Kehata eo amin\u2019 ny taranak\u2019 i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:3", "text": "hatramin\u2019 ny telo-polo taona ka hatramin\u2019 ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin\u2019 ny antokony hanao raharaha ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:4", "text": "Izao no ho fanompoan\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra mas\u00ecna indrindra: " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:5", "text": "Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona\u2019 izany; " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:6", "text": "ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon\u2019 ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin\u2019 io, dia hataony eo aminy ny baony. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:7", "text": "Ary hamelatra lamba, volon\u2019 ondry manga eo ambonin\u2019 ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:8", "text": "Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin\u2019 ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:9", "text": "Dia haka lamba volon\u2019 ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana; " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:10", "text": "ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin\u2019 ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin\u2019 ny filanjana azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:11", "text": "Ary hamelatra lamba manga eo ambonin\u2019 ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony; " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:12", "text": "dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, ka hataony ao anaty lamba volon\u2019 ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin\u2019 ny filanjana azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:13", "text": "Dia hanaisotra ny lavenona amin\u2019 ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:14", "text": "Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran\u2019 afony sy ny fitrebiny sy ny sotron\u2019 afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:15", "text": "Ary rehefa vitan\u2019 i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana mas\u00ecna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak\u2019 i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana mas\u00ecna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:16", "text": "Ary ny raharahan\u2019 i Eleazara, zanak\u2019 i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan\u2019 andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin\u2019 ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna sy ny fanaka momba azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:17", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:18", "text": "Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon\u2019 ny Kehatita tsy ho amin\u2019 ny Levita: " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:19", "text": "fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra mas\u00ecna indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin\u2019 ny fanompoany avy sy amin\u2019 ny entany avy; " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:20", "text": "fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana mas\u00ecna, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:21", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:22", "text": "Alao isa koa ny taranak\u2019 i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy; " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:23", "text": "ny hatramin\u2019 ny telo-polo taona ka hatramin\u2019 ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin\u2019 ny antokony hanao fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:24", "text": "Izao no ho fanompoan\u2019 ny fokon\u2019 ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana: " }, { "verse": 25, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:25", "text": "ny ambain\u2019 ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, " }, { "verse": 26, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:26", "text": "ary ny fefy lamban\u2019 ny kianja sy ny vavahady lamba amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin\u2019 ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin\u2019 ireo no ho fanompoany. " }, { "verse": 27, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:27", "text": "Araka ny tenin\u2019 i Arona sy ny zanany no hanaovan\u2019 ny Gersonita ny fanompoany amin\u2019 ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny. " }, { "verse": 28, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:28", "text": "Izany no ho fanompoan\u2019 ny fokon\u2019 ny Gersonita ny amin\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin\u2019 izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak\u2019 i Arona mpisorona. " }, { "verse": 29, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:29", "text": "Ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy; " }, { "verse": 30, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:30", "text": "ny hatramin\u2019 ny telo-polo taona ka hatramin\u2019 ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin\u2019 ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 31, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:31", "text": "Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin\u2019 ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin\u2019 ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany, " }, { "verse": 32, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:32", "text": "sy ny tsangantsangan\u2019 ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina. " }, { "verse": 33, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:33", "text": "Izany no ho fanompoan\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak\u2019 i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy. " }, { "verse": 34, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:34", "text": "Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan\u2019 ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, " }, { "verse": 35, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:35", "text": "hatramin\u2019 ny telo-polo taona ka hatramin\u2019 ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin\u2019 ny antokony hanao fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 36, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:36", "text": "Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo. " }, { "verse": 37, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:37", "text": "Ireo no nalamina tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, izay nalamin\u2019 i Mosesy sy Arona araka ny didin\u2019 i Jehovah nampitondrainy an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 38, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:38", "text": "Ary izay nalamina tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, " }, { "verse": 39, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:39", "text": "hatramin\u2019 ny telo-polo taona ka hatramin\u2019 ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin\u2019 ny antokony hanao fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana " }, { "verse": 40, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:40", "text": "izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo. " }, { "verse": 41, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:41", "text": "Ireo no nalamina tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin\u2019 i Mosesy sy Arona araka ny didin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 42, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:42", "text": "Ary izay nalamina tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany " }, { "verse": 43, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:43", "text": "hatramin\u2019 ny telo-polo taona ka hatramin\u2019 ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin\u2019 ny antokony, hanao fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, " }, { "verse": 44, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:44", "text": "izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo; " }, { "verse": 45, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:45", "text": "ireo no nalamina tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, izay nalamin\u2019 i Mosesy sy Arona araka ny didin\u2019 i Jehovah izay nampitondrainy an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 46, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:46", "text": "Ny tontalin\u2019 ny taranak\u2019 i Levy izay nalamin\u2019 i Mosesy sy Arona mbamin\u2019 ny lohan\u2019 ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany " }, { "verse": 47, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:47", "text": "hatramin\u2019 ny telo-polo taona ka hatramin\u2019 ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin\u2019 ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, " }, { "verse": 48, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:48", "text": "izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo. " }, { "verse": 49, "chapter": 4, "name": "Numbers 4:49", "text": "Araka ny didin\u2019 i Jehovah izay nampitondrainy an\u2019 i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin\u2019 ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Numbers 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:2", "text": "Mandidia ny Zanak\u2019 Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin\u2019 ny toby; " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:3", "text": "na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan\u2019 ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:4", "text": "Dia nanao izany ny Zanak\u2019 Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan\u2019 ny toby; araka izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy no nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:5", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:6", "text": "Lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan\u2019 ny olona ka manao izay mahadiso amin\u2019 i Jehovah ary meloka, " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:7", "text": "dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin\u2019 ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an\u2019 ilay nanaovany diso. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:8", "text": "Fa raha t\u00e0hiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin\u2019 ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an\u2019 i Jehovah ka ho an\u2019 ny mpisorona, ho fanampin\u2019 ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:9", "text": "Ary ny fanatitra rehetra alaina amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna rehetra aterin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay ateriny ho an\u2019 ny mpisorona, dia ho azy izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:10", "text": "Ary ho azy ny zava-mas\u00ecna aterin\u2019 ny olona rehetra; na inona na inona omen\u2019 olona ho an\u2019 ny mpisorona, dia ho azy izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:11", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:12", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin\u2019 olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin\u2019 ny lahy, " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:13", "text": "fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan\u2019 ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy; " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:14", "text": "kanefa misy fiahiahiana ao amin\u2019 ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin\u2019 ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy; " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:15", "text": "dia ho entin\u2019 ny lahy ho eo amin\u2019 ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon\u2019 ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:16", "text": "Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:17", "text": "dia haka rano mas\u00ecna amin\u2019 ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin\u2019 izay itoeran\u2019 ny tabernakely dia hangalan\u2019 ny mpisorona ka hataony amin\u2019 ny rano; " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:18", "text": "ary ravehivavy dia hampitoeran\u2019 ny mpisorona eo anatrehan\u2019 i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-t\u00e0nany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona; " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:19", "text": "dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin\u2019 ny vadinao ho amin\u2019 ny fahalotoana ianao, dia afaka amin\u2019 ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity; " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:20", "text": "fa raha nivily niala tamin\u2019 ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao, " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:21", "text": "dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin\u2019 ny firenenao, amin\u2019 ny fampifezahan\u2019 i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao; " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:22", "text": "ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:23", "text": "Ary hosoratan\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin\u2019 ny rano mangidy ny soratra; " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:24", "text": "dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; at\u1ef3 ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:25", "text": "Dia halain\u2019 ny mpisorona eo an-t\u00e0nan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan\u2019 i Jehovah izany ka hateriny eo amin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:26", "text": "Dia horaofin\u2019 ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin\u2019 ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin\u2019 ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy. " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:27", "text": "Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin\u2019 ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin\u2019 ny fireneny ravehivavy. " }, { "verse": 28, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:28", "text": "Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan\u2019 anaka. " }, { "verse": 29, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:29", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin\u2019 ny vadiny ka voaloto; " }, { "verse": 30, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:30", "text": "na misy lehilahy azon\u2019 ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lal\u00e0na rehetra izany aminy. " }, { "verse": 31, "chapter": 5, "name": "Numbers 5:31", "text": "Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Numbers 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:3", "text": "dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:4", "text": "Amin\u2019 ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin\u2019 ny voaloboka hatramin\u2019 ny voany ka hatramin\u2019 ny hodiny izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:5", "text": "Amin\u2019 ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an\u2019 i Jehovah dia ho mas\u00ecna izy, ka havelany haniry ny volondohany. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:6", "text": "Amin\u2019 ny andro rehetra izay itokanany ho an\u2019 i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy; " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:7", "text": "aoka tsy handoto tena izy na dia amin\u2019 ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin\u2019 ny lohany ny fitokanana ho an\u2019 Andriamaniny. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:8", "text": "Amin\u2019 ny andro fitokanany rehetra dia ho mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:9", "text": "Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin\u2019 ny andro fanadiovana azy izy, dia amin\u2019 ny andro fahafito no hanaratany azy; " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:10", "text": "ary amin\u2019 ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin\u2019 ny mpisorona, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:11", "text": "Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin\u2019 ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin\u2019 izany andro izany izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:12", "text": "Dia hanokana ho an\u2019 i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:13", "text": "Ary izao no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana izy; " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:14", "text": "ary hanatitra ny fanatiny ho an\u2019 i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana, " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:15", "text": "ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin\u2019 ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:16", "text": "Dia haterin\u2019 ny mpisorona eo anatrehan\u2019 i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany; " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:17", "text": "dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an\u2019 i Jehovah mbamin\u2019 ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin\u2019 ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:18", "text": "Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin\u2019 ny afo izay eo ambanin\u2019 ny fanati-pihavanana. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:19", "text": "Dia halain\u2019 ny mpisorona ny sorok\u2019 ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin\u2019 ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:20", "text": "Dia hahevahevan\u2019 ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah; ho mas\u00ecna izany ho an\u2019 ny mpisorona ho fanampin\u2019 ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:21", "text": "Izany no lal\u00e0na ny amin\u2019 ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an\u2019 i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lal\u00e0na ny amin\u2019 ny fitokanany. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:22", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:23", "text": "Mitenena amin\u2019 i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak\u2019 Isiraely: " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:24", "text": "Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:25", "text": "Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:26", "text": "Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "Numbers 6:27", "text": "Dia hametraka ny anarako amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Numbers 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro izay nahavitan\u2019 i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy, " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:2", "text": "dia nitondra fanatitra ny lohan\u2019 ny firenen\u2019 ny Isiraely, dia ny lohan\u2019 ny fianakaviana (ireo no lohan\u2019 ny firenena, izay nifehy ny voalamina). " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:3", "text": "Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin\u2019 ny folo, dia sariety iray no avy amin\u2019 ny lohan\u2019 ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan\u2019 ny tabernakely izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:4", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:5", "text": "Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:6", "text": "Dia noraisin\u2019 i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:7", "text": "Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona, araka ny fanompoany; " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:8", "text": "ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, araka ny fanompoany, eo amin\u2019 ny fehin\u2019 Itamara, zanak\u2019 i Arona mpisorona. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:9", "text": "Fa ny taranak\u2019 i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana mas\u00ecna no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:10", "text": "Dia ny lohan\u2019 ny firenena no nanatitra ho amin\u2019 ny fitokanana ny alitara tamin\u2019 ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan\u2019 ny alitara izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:11", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Aoka ny lohan\u2019 ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin\u2019 ny an\u2019 androny avy ho amin\u2019 ny fitokanana ny alitara. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:12", "text": "Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin\u2019 ny andro voalohany dia Nasona, zanak\u2019 i Aminadaba, avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:13", "text": "Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:14", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:15", "text": "ary vantotr\u2019 ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:16", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:17", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Nasona, zanak\u2019 i Aminadaba. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:18", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro faharoa dia Netanela, zanak\u2019 i Zoara, lohan\u2019 ny taranak\u2019 Isakara, no nanatitra. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:19", "text": "Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:20", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:21", "text": "ary vantotr\u2019 ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:22", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:23", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Netanela, zanak\u2019 i Zoara. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:24", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak\u2019 i Helona, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Zebolona, no nanatitra. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:25", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:26", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:27", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:28", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 29, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:29", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Eliaba, zanak\u2019 i Helona. " }, { "verse": 30, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:30", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahefatra dia Elizora, zanak\u2019 i Sedeora, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Robena, no nanatitra. " }, { "verse": 31, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:31", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 32, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:32", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra; " }, { "verse": 33, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:33", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 34, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:34", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 35, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:35", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray ireo no fanatitr\u2019 i Elizora, zanak\u2019 i Sedeora. " }, { "verse": 36, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:36", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak\u2019 i Zorisaday, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Simeona, no nanatitra. " }, { "verse": 37, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:37", "text": "Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 38, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:38", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 39, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:39", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 40, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:40", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 41, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:41", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Selomiela, zanak\u2019 i Zorisaday, " }, { "verse": 42, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:42", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak\u2019 i Doela, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Gada, no nanatitra. " }, { "verse": 43, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:43", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 44, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:44", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 45, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:45", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 46, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:46", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 47, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:47", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Eliasafa, zanak\u2019 i Doela. " }, { "verse": 48, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:48", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafito dia Elisama, zanak\u2019 i Amihoda, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima, no nanatitra. " }, { "verse": 49, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:49", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 50, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:50", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 51, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:51", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 52, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:52", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 53, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:53", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Elisama, zanak\u2019 i Amihoda. " }, { "verse": 54, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:54", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak\u2019 i Pedazora, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Manase, no nanatitra. " }, { "verse": 55, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:55", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 56, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:56", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 57, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:57", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 58, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:58", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 59, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:59", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Gamaliela, zanak\u2019 i Pedazora. " }, { "verse": 60, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:60", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahasivy dia Abidana, zanak\u2019 i Gideony, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina, no nanatitra. " }, { "verse": 61, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:61", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 62, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:62", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 63, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:63", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 64, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:64", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 65, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:65", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Abidana, zanak\u2019 i Gideony. " }, { "verse": 66, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:66", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafolo Ahiezera, zanak\u2019 i Amisaday, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Dana, no nanatitra. " }, { "verse": 67, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:67", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 68, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:68", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 69, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:69", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 70, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:70", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 71, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:71", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Ahiezera, zanak\u2019 i Amisaday. " }, { "verse": 72, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:72", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahiraika ambin\u2019 ny folo dia Pagiela, zanak\u2019 i Okrana, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Asera, no nanatitra. " }, { "verse": 73, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:73", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 74, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:74", "text": "lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 75, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:75", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana; " }, { "verse": 76, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:76", "text": "osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 77, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:77", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Pagiela, zanak\u2019 i Okrana. " }, { "verse": 78, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:78", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro faharoa ambin\u2019 ny folo dia Ahira, zanak\u2019 i Enana, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Naftaly, no nanatitra. " }, { "verse": 79, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:79", "text": "Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely mas\u00ecna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 80, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:80", "text": "lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra; " }, { "verse": 81, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:81", "text": "vantotr\u2019 ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak\u2019 ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana; " }, { "verse": 82, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:82", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota; " }, { "verse": 83, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:83", "text": "ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak\u2019 ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr\u2019 i Ahira, zanak\u2019 i Enana. " }, { "verse": 84, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:84", "text": "Ireo no zavatra naterin\u2019 ny lohan\u2019 ny Isiraely ho amin\u2019 ny fitokanana ny alitara tamin\u2019 ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin\u2019 ny folo, lovia volafotsy roa ambin\u2019 ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 85, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:85", "text": "sekely telo-polo amby zato avy no lanjan\u2019 ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan\u2019 ny volafotsy rehetra tamin\u2019 ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely mas\u00ecna; " }, { "verse": 86, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:86", "text": "lovia kely volamena roa ambin\u2019 ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely mas\u00ecna; ny lanjan\u2019 ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato. " }, { "verse": 87, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:87", "text": "Ny isan\u2019 ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr\u2019 ombilahy roa ambin\u2019 ny folo, ondrilahy roa ambin\u2019 ny folo, zanak\u2019 ondry roa ambin\u2019 ny folo, izay samy iray taona, mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin\u2019 ny folo ho fanatitra noho ny ota. " }, { "verse": 88, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:88", "text": "Ary ny isan\u2019 ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr\u2019 ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak\u2019 ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin\u2019 ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy. " }, { "verse": 89, "chapter": 7, "name": "Numbers 7:89", "text": "Ary rehefa niditra tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin\u2019 Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin\u2019 ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin\u2019 ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona, avy eo anelanelan\u2019 ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Numbers 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:2", "text": "Mitenena amin\u2019 i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan\u2019 ny fanaovan-jiro izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:3", "text": "Dia nataon\u2019 i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan\u2019 ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:4", "text": "Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin\u2019 ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:5", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:6", "text": "Alao ny Levita avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka diovy izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:7", "text": "Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:8", "text": "Dia asaovy maka vantotr\u2019 ombilahy iray izy mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr\u2019 ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:9", "text": "Ary ento ny Levita hankeo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:10", "text": "Ary ento ny Levita hankeo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary ny Zanak\u2019 Isiraely hametraka ny t\u00e0nany aminy; " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:11", "text": "ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan\u2019 i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, mba hanao ny fanompoana an\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:12", "text": "Ary ny Levita hametraka ny t\u00e0nany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an\u2019 ny Levita. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:13", "text": "Ary apetraho eo anatrehan\u2019 i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:14", "text": "Ary ampiavaho amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:15", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva; " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:16", "text": "fa efa nomena ho Ahy avy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mihitsy izy; ho solon\u2019 izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, no nanalako azy ho Ahy. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:17", "text": "Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin\u2019 ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin\u2019 ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:18", "text": "Ary efa nalaiko ny Levita ho solon\u2019 ny lahimatoa rehetra amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:19", "text": "Ary nomeko ho an\u2019 i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, hanao ny fanompoan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana mas\u00ecna izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:20", "text": "Dia nataon\u2019 i Mosesy sy Arona mbamin\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, tamin\u2019 ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy ny amin\u2019 ny Levita no nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely taminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:21", "text": "Dia nodiovin\u2019 ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan\u2019 i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:22", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan\u2019 i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy ny amin\u2019 ny Levita no nataony taminy. " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:23", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:24", "text": "Ny amin\u2019 ny Levita dia izao: Hatramin\u2019 ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin\u2019 ny antokony hanao ny fanompoana ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana; " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:25", "text": "fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin\u2019 ny antokon\u2019 ny fanompoana ka tsy hanompo intsony; " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "Numbers 8:26", "text": "kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin\u2019 ny Levita ny amin\u2019 ny anjara-raharahany. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Numbers 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy tany an-efitr\u2019 i Sinay tamin\u2019 ny volana voalohany tamin\u2019 ny taona faharoa taorian\u2019 ny nivoahany avy tany amin\u2019 ny tany Egypta ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:2", "text": "Aoka hotandreman\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Paska amin\u2019 ny fotoany. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:3", "text": "Amin\u2019 ny harivan\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ity volana ity no hitandremanareo azy amin\u2019 ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:4", "text": "Ary Mosesy niteny tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mba hitandrina ny Paska. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:5", "text": "Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr\u2019 i Sinay izy tamin\u2019 ny harivan\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy no nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:6", "text": "Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin\u2019 izany andro izany; dia nankeo anatrehan\u2019 i Mosesy sy Arona izy tamin\u2019 izany andro izany " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:7", "text": "ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fotoany? " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:8", "text": "Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian\u2019 i Jehovah ny aminareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:9", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:10", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an\u2019 i Jehovah ihany koa izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:11", "text": "Amin\u2019 ny harivan\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin\u2019 ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:12", "text": "Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lal\u00e0na rehetra ny amin\u2019 ny Paska ihany koa no hitandremany azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:13", "text": "Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:14", "text": "Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an\u2019 i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin\u2019 ny Paska ihany no hanaovany azy; lal\u00e0na iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:15", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain\u2019 ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin\u2019 ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain\u2019 ny andro. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:16", "text": "Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:17", "text": "Ary rehefa niakatra niala tamin\u2019 ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak\u2019 Isiraely, ka teo amin\u2019 izay nijanonan\u2019 ny rahona no nitobiany. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:18", "text": "Araka ny didin\u2019 i Jehovah no niaingan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ary araka ny didin\u2019 i Jehovah koa no nitobiany; tamin\u2019 ny andro rehetra izay nijanonan\u2019 ny rahona teo ambonin\u2019 ny tabernakely no nitobiany. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:19", "text": "Ary na dia nijanona ela teo ambonin\u2019 ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain\u2019 i Jehovah notandremana ihany ny Zanak\u2019 Isiraely ka tsy niainga. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:20", "text": "Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan\u2019 ny rahona teo ambonin\u2019 ny tabernakely; araka ny didin\u2019 i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin\u2019 i Jehovah no niaingany. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:21", "text": "Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin\u2019 ny hariva ka hatramin\u2019 ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak\u2019 Isiraely; koa na andro na alina no niakaran\u2019 ny rahona, dia niainga izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:22", "text": "Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan\u2019 ny rahona teo ambonin\u2019 ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak\u2019 Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Numbers 9:23", "text": "Araka ny didin\u2019 i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin\u2019 i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain\u2019 i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampitondrainy an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Numbers 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:2", "text": "Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:3", "text": "Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:4", "text": "Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan\u2019 ny firenena, izay mpifehy arivo amin\u2019 ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:5", "text": "Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:6", "text": "Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:7", "text": "Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:8", "text": "Ary ireo mpisorona, zanak\u2019 i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lal\u00e0na mandrakizay ho anareo hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:9", "text": "Ary raha misy ady eo amin\u2019 ny taninareo, ka mandeha hiady amin\u2019 ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin\u2019 ny fahavalonareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:10", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fifalianareo, sy amin\u2019 ny fotoam-pivavahanareo, ary amin\u2019 ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan\u2019 Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:11", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro faharoa-polo tamin\u2019 ny volana faharoa, tamin\u2019 ny taona faharoa, no niakaran\u2019 ny rahona niala teo ambonin\u2019 ny tabernakelin\u2019 ny Vavolombelona. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:12", "text": "Dia niainga tany an-efitr\u2019 i Sinay ny Zanak\u2019 Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:13", "text": "Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin\u2019 i Jehovah izay nampitondrainy an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:14", "text": "Ary ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak\u2019 i Aminadaba, no mpifehy ny antokony. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:15", "text": "Ary Netanela, zanak\u2019 i Zoara, no mpifehy ny antokon\u2019 ny firenena taranak\u2019 Isakara. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:16", "text": "Ary Eliaba, zanak\u2019 i Helona, no mpifehy ny antokon\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Zebolona. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:17", "text": "Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak\u2019 i Gersona sy ny taranak\u2019 i Merary, nitondra ny tabernakely. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:18", "text": "Dia niainga ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak\u2019 i Sedeora, no mpifehy ny antokony. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:19", "text": "Ary Selomiela, zanak\u2019 i Zorisaday, no mpifehy ny antokon\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Simeona. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:20", "text": "Ary Eliasafa, zanak\u2019 i Doela, no mpifehy ny antokon\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Gada. " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:21", "text": "Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-mas\u00ecna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:22", "text": "Dia niainga ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak\u2019 i Amihoda, no mpifehy ny antokony. " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:23", "text": "Ary Gamaliela, zanak\u2019 i Pedazora, no mpifehy ny antokon\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Manase. " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:24", "text": "Ary Abidana, zanak\u2019 i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak\u2019 i Benjamina. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:25", "text": "Dia niainga ny fanevan\u2019 ny tobin\u2019 ny taranak\u2019 i Dana, izay vodi-lalan\u2019 ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak\u2019 i Amisaday, no mpifehy ny antokony. " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:26", "text": "Ary Pagiela, zanak\u2019 i Okrana, no mpifehy ny antokon\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Asera. " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:27", "text": "Ary Ahira, zanak\u2019 i Enana, no mpifehy ny antokon\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Naftaly. " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:28", "text": "Izany no fandehan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:29", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 i Hobaba, zanak\u2019 i Regoela Midianita, rafozan\u2019 i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin\u2019 ny tany izay nolazain\u2019 i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 30, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:30", "text": "Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin\u2019 ny taniko sy ny havako. " }, { "verse": 31, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:31", "text": "Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay at\u1ef3 an-efitra, ka dia ho masonay ianao. " }, { "verse": 32, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:32", "text": "Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon\u2019 i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa. " }, { "verse": 33, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:33", "text": "Dia niainga niala tany an-tendrombohitr\u2019 i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an\u2019 ny olona. " }, { "verse": 34, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:34", "text": "Ary ny rahon\u2019 i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin\u2019 ny niaingany niala tamin\u2019 ny nitobiany. " }, { "verse": 35, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:35", "text": "Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsang\u00e0na, Jehovah \u00f4, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao. " }, { "verse": 36, "chapter": 10, "name": "Numbers 10:36", "text": "Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah \u00f4, ho amin\u2019 ny Isiraely tsy omby alinalina. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Numbers 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:1", "text": " Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan\u2019 i Jehovah ny olona, ary nony ren\u2019 i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon\u2019 i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin\u2019 ny toby. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:2", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin\u2019 i Jehovah, dia maty ny afo. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:3", "text": "Ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:4", "text": "Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak\u2019 Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:5", "text": "Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin\u2019 ny voatango sy tongolo samy hafa karazana. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:6", "text": "Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:7", "text": "Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin\u2019 ny bedola. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:8", "text": "Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin\u2019 ny fikosoham-bary na tamin\u2019 ny laona, ary nahandro azy tamin\u2019 ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:9", "text": "Ary raha nilatsaka tamin\u2019 ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:10", "text": "Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin\u2019 ny isam-pianakaviany, samy teo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran\u2019 i Jehovah; ary tsy sitrak\u2019 i Mosesy koa izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:11", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity? " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:12", "text": "Izaho va no torontoronina an\u2019 ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin\u2019 ny tany izay nianiananao tamin\u2019 ny razany homena azy? " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:13", "text": "Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay? " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:14", "text": "Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:15", "text": "Koa raha izao no ataonao amiko, mas\u00ecna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:16", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Manang\u00f2na fito-polo lahy amin\u2019 ny loholon\u2019 ny Isiraely ho et\u1ef3 amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin\u2019 ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:17", "text": "Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin\u2019 ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin\u2019 ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:18", "text": "Koa lazao amin\u2019 ny olona hoe: Manamas\u00ecna ny tenanareo ho amin\u2019 ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan\u2019 i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen\u2019 i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:19", "text": "Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza, " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:20", "text": "fa hatramin\u2019 ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin\u2019 ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay? " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:21", "text": "Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:22", "text": "Moa ondry aman\u2019 osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin\u2019 ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy? " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:23", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Nihafohy va ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:24", "text": "Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin\u2019 ny loholon\u2019 ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:25", "text": "Ary nidina teo amin\u2019 ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin\u2019 i Mosesy ka napetrany tao amin\u2019 ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:26", "text": "Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran\u2019 ny anankiray, ary Medada no anaran\u2019 ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan\u2019 izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin\u2019 ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:27", "text": "Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby. " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:28", "text": "Dia namaly Josoa, zanak\u2019 i Nona, izay nanompo an\u2019 i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:29", "text": "Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon\u2019 i Jehovah rehetra, ka halatsak\u2019 i Jehovah aminy ny Fanahiny! " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:30", "text": "Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:31", "text": "Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin\u2019 i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin\u2019 ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin\u2019 ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin\u2019 ny tany izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:32", "text": "Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson\u2019 iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby. " }, { "verse": 33, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:33", "text": "Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin\u2019 ny olona ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ary namely ny olony tamin\u2019 ny kapoka mafy indrindra Izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:34", "text": "Ary ny anaran\u2019 izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana. " }, { "verse": 35, "chapter": 11, "name": "Numbers 11:35", "text": "Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Numbers 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:1", "text": " Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an\u2019 i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:2", "text": "Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan\u2019 i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:3", "text": "Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra at\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:4", "text": "Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:5", "text": "Ary andri-rahona no nidinan\u2019 i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran\u2019 ny trano-lay Izy; dia niantso an\u2019 i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:6", "text": "Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin\u2019 i Jehovah eo aminareo, dia amin\u2019 ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin\u2019 ny nofy no hitenenako aminy. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:7", "text": "Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin\u2019 ny tranoko rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:8", "text": "Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin\u2019 ny fahitana, fa tsy amin\u2019 ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik\u2019 i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an\u2019 i Mosesy mpanompoko? " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:9", "text": "Dia nirehitra ny fahatezeran\u2019 i Jehovah tamin\u2019 izy mianadahy, ka niala Izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:10", "text": "Ary ny rahona niala tamin\u2019 ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an\u2019 i Miriama, ka indro fa boka izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:11", "text": "Ary hoy Arona tamin\u2019 i Mosesy: Indrisy, tompoko, mas\u00ecna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:12", "text": "Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:13", "text": "Ary Mosesy dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra \u00f4, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:14", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Raha nandrora tamin\u2019 ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atok\u00e0ny any ivelan\u2019 ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:15", "text": "Dia natokana tany ivelan\u2019 ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "Numbers 12:16", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Numbers 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy, ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:2", "text": "Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan\u2019 ny fireneny avy. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:3", "text": "Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin\u2019 i Jehovah; ary samy lohan\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:4", "text": "Ary izao no anarany: Avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Robena dia Samoa, zanak\u2019 i Zakora; " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:5", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Simeona dia Safata, zanak\u2019 i Hory; " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:6", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda dia Kaleba, zanak\u2019 i Jefone; " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:7", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isakara dia Jigala, zanak\u2019 i Josefa; " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:8", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Efraima dia Hosea, zanak\u2019 i Nona; " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:9", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina dia Palty, zanak\u2019 i Rafo; " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:10", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Zebolona dia Gadiela, zanak\u2019 i Sody; " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:11", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Josefa, tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Manase, dia Gady, zanak\u2019 i Sosy; " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:12", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Dana dia Amiela, zanak\u2019 i Gemaly; " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:13", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Asera dia Setora, zanak\u2019 i Mikaela; " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:14", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Naftaly dia Naby, zanak\u2019 i Vofsy; " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:15", "text": "avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Gada dia Geoela, zanak\u2019 i Maky. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:16", "text": "Ireo no anaran\u2019 ny lehilahy izay nirahin\u2019 i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak\u2019 i Nona, dia nataon\u2019 i Mosesy hoe Josoa. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:17", "text": "Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara at\u1ef3 amin\u2019 ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin\u2019 ny tany havoana; " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:18", "text": "dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro; " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:19", "text": "ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tan\u00e0na izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tan\u00e0na mimanda; " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:20", "text": "ary ny toetry ny tany, na lonaka, na m\u00e0zana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan\u2019 ny voaloboka mialin-taona. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:21", "text": "Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin\u2019 ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin\u2019 i Hamata. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:22", "text": "Dia niakatra tao amin\u2019 ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan\u2019 i Zoana any Egypta.) " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:23", "text": "Dia nankany amin\u2019 ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin\u2019 ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:24", "text": "Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely teo. " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:25", "text": "Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro. " }, { "verse": 26, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:26", "text": "Dia nankeo amin\u2019 i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany. " }, { "verse": 27, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:27", "text": "Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin\u2019 ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany. " }, { "verse": 28, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:28", "text": "Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin\u2019 ny tany; ary ny tan\u00e0na dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay. " }, { "verse": 29, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:29", "text": "Ny Amalekita no monina eo amin\u2019 ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin\u2019 ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron\u2019 ny ranomasina sy eo amoron\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 30, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:30", "text": "Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika. " }, { "verse": 31, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:31", "text": "Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:32", "text": "Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe; " }, { "verse": 33, "chapter": 13, "name": "Numbers 13:33", "text": "ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin\u2019 ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Numbers 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:1", "text": " Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin\u2019 iny alina iny. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:2", "text": "Dia nimonomonona tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin\u2019 ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tat\u1ef3 amin\u2019 ity efitra ity! " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:3", "text": "Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin\u2019 ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va? " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:4", "text": "Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:5", "text": "Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan\u2019 ny fivorian\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:6", "text": "Ary Josoa, zanak\u2019 i Nona, sy Kaleba, zanak\u2019 i Jefone, izay isan\u2019 ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany; " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:7", "text": "ary niteny tamin\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:8", "text": "Raha sitrak\u2019 i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin\u2019 izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:9", "text": "Fa aza miodina amin\u2019 i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:10", "text": "Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr\u2019 i Jehovah niseho teo amin\u2019 ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:11", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian\u2019 ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:12", "text": "Hamely azy amin\u2019 ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:13", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 i Jehovah: Dia ho ren\u2019 ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy, " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:14", "text": "ary holazainy amin\u2019 ny monina eo amin\u2019 ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin\u2019 ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin\u2019 ny andri-rahona nony andro, ary amin\u2019 ny andri-afo nony alina. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:15", "text": "Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:16", "text": "Satria tsy zakan\u2019 i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin\u2019 ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:17", "text": "Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben\u2019 ny herin\u2019 ny Tompo, araka ilay teninao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:18", "text": "Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin\u2019 ny zanaka hatramin\u2019 ny zafiafy sy ny zafindohalika. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:19", "text": "Mifona aminao aho, mamel\u00e0 ny helok\u2019 ity firenena ity araka ny halehiben\u2019 ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok\u2019 ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:20", "text": "Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:21", "text": "Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr\u2019 i Jehovah ny tany rehetra, " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:22", "text": "ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko, " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:23", "text": "dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin\u2019 ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:24", "text": "Fa ny amin\u2019 i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin\u2019 ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:25", "text": "Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin\u2019 ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny Ranomasina Mena. " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:26", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:27", "text": "Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin\u2019 izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay imonomononany amiko. " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:28", "text": "Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo: " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:29", "text": "Et\u1ef3 amin\u2019 ity efitra ity no hiampatramparan\u2019 ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko, " }, { "verse": 30, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:30", "text": "dia tsy ho tonga mihitsy any amin\u2019 ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak\u2019 i Jefone, sy Josoa, zanak\u2019 i Nona. " }, { "verse": 31, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:31", "text": "Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo. " }, { "verse": 32, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:32", "text": "Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin\u2019 ity efitra ity ny fatinareo; " }, { "verse": 33, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:33", "text": "ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry at\u1ef3 an-efitra efa-polo taona ka hiharan\u2019 ny valin\u2019 ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra at\u1ef3 an-efitra. " }, { "verse": 34, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:34", "text": "Araka ny isan\u2019 ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo. " }, { "verse": 35, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:35", "text": "Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin\u2019 izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; et\u1ef3 amin\u2019 ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary et\u1ef3 no hahafatesany. " }, { "verse": 36, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:36", "text": "Ary ny lehilahy izay nirahin\u2019 i Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin\u2019 i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy, " }, { "verse": 37, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:37", "text": "dia matin\u2019 ny areti-mandringana teo anatrehan\u2019 i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny. " }, { "verse": 38, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:38", "text": "Fa Josoa, zanak\u2019 i Nona, sy Kaleba, zanak\u2019 i Jefone, kosa, izay isan\u2019 ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany. " }, { "verse": 39, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:39", "text": "Dia nolazain\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra ter\u1ef3 ny olona. " }, { "verse": 40, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:40", "text": "Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon\u2019 ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin\u2019 ny tany izay nolazain\u2019 i Jehovah, fa efa nanota izahay. " }, { "verse": 41, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:41", "text": "Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin\u2019 i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany. " }, { "verse": 42, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:42", "text": "Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah, " }, { "verse": 43, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:43", "text": "fandrao ho resy eo anoloan\u2019 ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy. " }, { "verse": 44, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:44", "text": "Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah tsy niala teo an-toby. " }, { "verse": 45, "chapter": 14, "name": "Numbers 14:45", "text": "Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin\u2019 izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Numbers 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:2", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha tonga any amin\u2019 ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:3", "text": "ka manatitra fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, dia omby na ondry aman\u2019 osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 hanalana voady, na amin\u2019 ny sitrapo na amin\u2019 ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:4", "text": "izay manatitra ny fanatiny ho an\u2019 i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina; " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:5", "text": "ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0, amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry iray. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:6", "text": "Ary ho fanampin\u2019 ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo ampahatelon\u2019 ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina; " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:7", "text": "ary divay ampahatelon\u2019 ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:8", "text": "Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:9", "text": "dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin\u2019 ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina; " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:10", "text": "ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:11", "text": "Izany no hatao amin\u2019 ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak\u2019 ondry iray, na ny isan-janak\u2019 osy iray. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:12", "text": "Tahaka izany no hataonareo amin\u2019 izy rehetra, araka ny isan\u2019 ny zavatra aterinareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:13", "text": "Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:14", "text": "Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:15", "text": "Ary ny amin\u2019 ny fiangonana, dia lal\u00e0na iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lal\u00e0na mandrakizay hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan\u2019 i Jehovah na ianareo na ny vahiny. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:16", "text": "Lal\u00e0na iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:17", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:18", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha tonga any amin\u2019 ny tany izay itondrako anareo ianareo " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:19", "text": "ka hihinana mofo avy amin\u2019 ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:20", "text": "Hanokana mofo iray izay hatao amin\u2019 ny voalohan\u2019 ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin\u2019 ny famoloana no hanokananareo izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:21", "text": "Ny voalohan\u2019 ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an\u2019 i Jehovah hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:22", "text": "Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankat\u00f2 ireo didy rehetra ireo, izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy, " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:23", "text": "dia izay rehetra nasain\u2019 i Jehovah nandidian\u2019 i Mosesy anareo, hatramin\u2019 ny andro izay nanaovan\u2019 i Jehovah izany didy izany ka hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby, " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:24", "text": "koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr\u2019 ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah, mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota. " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:25", "text": "Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan\u2019 i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:26", "text": "Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, mbamin\u2019 izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy, " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:27", "text": "Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:28", "text": "Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an\u2019 ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan\u2019 i Jehovah, ka dia havela ny helony. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:29", "text": "Lal\u00e0na iray ihany no hatao amin\u2019 izay manota tsy nahy, na amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, na amin\u2019 ny vahiny eo aminareo. " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:30", "text": "Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an\u2019 i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:31", "text": "Fa ny tenin\u2019 i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lal\u00e0ny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany. " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:32", "text": " Ary raha tany an-efitra ny Zanak\u2019 Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin\u2019 ny andro Sabata. " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:33", "text": "Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin\u2019 i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra. " }, { "verse": 34, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:34", "text": "Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy. " }, { "verse": 35, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:35", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan\u2019 ny toby ny fiangonana rehetra. " }, { "verse": 36, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:36", "text": "Dia namoaka azy ho eny ivelan\u2019 ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy ihany. " }, { "verse": 37, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:37", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 38, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:38", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin\u2019 ny fitafiany hatramin\u2019 ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin\u2019 ny somotraviaviny. " }, { "verse": 39, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:39", "text": "Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin\u2019 i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana, " }, { "verse": 40, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:40", "text": "mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho mas\u00ecna ho an\u2019 Andriamanitrareo ianareo. " }, { "verse": 41, "chapter": 15, "name": "Numbers 15:41", "text": "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Numbers 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:1", "text": " Ary Kora, zanak\u2019 i Jizara, zanak\u2019 i Kehata, zanak\u2019 i Levy, ary Datana sy Ab\u00ecrama, zanak\u2019 i Eliaba, sy Ona, zanak\u2019 i Peleta, izay samy taranak\u2019 i Robena, dia nandrendri-bahoaka, " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:2", "text": "ka nitsangana teo anatrehan\u2019 i Mosesy izy ireo sy ny Zanak\u2019 Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan\u2019 ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin\u2019 ny fiangonana sady nanan-daza; " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:3", "text": "koa niangona hiodina amin\u2019 i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa mas\u00ecna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah ianareo? " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:4", "text": "Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:5", "text": "ka niteny tamin\u2019 i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon\u2019 i Jehovah izay Azy sy izay mas\u00ecna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:6", "text": "Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Mak\u00e0 fitondran\u2019 afo ho anareo rahampitso. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:7", "text": "dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin\u2019 i Jehovah, dia izy no ho mas\u00ecna; fa aoka izay ianareo, ry taranak\u2019 i Levy! " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:8", "text": "Dia hoy koa Mosesy tamin\u2019 i Kora: Henoy, ry taranak\u2019 i Levy: " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:9", "text": "Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan\u2019 Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin\u2019 ny fiangonan\u2019 ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin\u2019 i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan\u2019 ny fiangonana hanompo azy? " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:10", "text": "Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak\u2019 i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo? " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:11", "text": "Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin\u2019 i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo? " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:12", "text": "Ary Mosesy naniraka nampaka an\u2019 i Datana sy Ab\u00ecrama, zanak\u2019 i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:13", "text": "Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin\u2019 izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay at\u1ef3 an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao? " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:14", "text": "Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin\u2019 izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason\u2019 ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:15", "text": "Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin\u2019 i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin\u2019 ny anankiray aminy akory aza. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:16", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan\u2019 i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona. " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:17", "text": "Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran\u2019 afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia fitondran\u2019 afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran\u2019 afony avy. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:18", "text": "Ary samy naka ny fitondran\u2019 afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana izy mbamin\u2019 i Mosesy sy Arona. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:19", "text": "Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin\u2019 ny fiangonana rehetra ny voninahitr\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:20", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:21", "text": "Mihataha amin\u2019 ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin\u2019 ny indray mipi-maso monja. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:22", "text": "Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra \u00f4, Andriamanitry ny fanahin\u2019 ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin\u2019 ny fiangonana rehetra va Hianao? " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:23", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 24, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:24", "text": "Mitenena amin\u2019 ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain\u2019 i Kora sy Datana ary Ab\u00ecrama. " }, { "verse": 25, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:25", "text": "Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin\u2019 i Datana sy Ab\u00ecrama; ary nanaraka azy ny loholon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 26, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:26", "text": "Dia niteny tamin\u2019 ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mial\u00e0 amin\u2019 ny lain\u2019 ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra. " }, { "verse": 27, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:27", "text": "Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin\u2019 ny lain\u2019 i Kora sy Datana ary Ab\u00ecrama; ary Datana sy Ab\u00ecrama nivoaka ka nijanona teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny lainy mbamin\u2019 ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika. " }, { "verse": 28, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:28", "text": "Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin\u2019 ny saiko izany: " }, { "verse": 29, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:29", "text": "Raha maty toy ny fahafatin\u2019 ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy. " }, { "verse": 30, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:30", "text": "Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin\u2019 izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita\u2019 izy, dia ho fantatrareo fa efa nand\u00e0 an\u2019 i Jehovah ireo lehilahy ireo. " }, { "verse": 31, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:31", "text": "Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny; " }, { "verse": 32, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:32", "text": "eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin\u2019 ny olona rehetra izay an\u2019 i Kora ary ny fananany rehetra. " }, { "verse": 33, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:33", "text": "Dia latsaka velona ho any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita izy mbamin\u2019 izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin\u2019 ny fiangonana intsony izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:34", "text": "Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany. " }, { "verse": 35, "chapter": 16, "name": "Numbers 16:35", "text": "Ary nisy afo nivoaka avy tamin\u2019 i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Numbers 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:1", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:2", "text": "Mitenena amin\u2019 i Eleazara, zanak\u2019 i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin\u2019 ny may ny fitondran\u2019 afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa mas\u00ecna ireny; " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:3", "text": "ary ny fitondran\u2019 afon\u2019 ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin\u2019 ny alitara; fa nateriny teo anatrehan\u2019 i Jehovah ireny ka mas\u00ecna; ary ho famantarana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ireny. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:4", "text": "Ary nalain\u2019 i Eleazara mpisorona ny fitondran\u2019 afo varahina, izay efa nanateran\u2019 ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin\u2019 ny alitara " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:5", "text": "ho fahatsiarovana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak\u2019 i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan\u2019 i Jehovah; fandrao ho tahaka an\u2019 i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampitondrainy an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:6", "text": "Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin\u2019 i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:7", "text": "Ary raha niangona hanome tsiny an\u2019 i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:8", "text": "Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:9", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:10", "text": "Mial\u00e0 amin\u2019 io fiangonana io handringanako azy amin\u2019 ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:11", "text": "Ary hoy Mosesy tamin\u2019 i Arona: Alao ny fitondran\u2019 afo, ka asio afo avy eo ambonin\u2019 ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin\u2019 ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin\u2019 i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:12", "text": "Dia nalain\u2019 i Arona izany, araka izay nandidian\u2019 i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan\u2019 ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin\u2019 ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an\u2019 ny olona. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:13", "text": "Dia nijanona teo anelanelan\u2019 ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:14", "text": "Ary izay efa matin\u2019 ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin\u2019 i Kora. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:15", "text": "Ary Arona niverina ho eo amin\u2019 i Mosesy teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:16", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:17", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan\u2019 ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin\u2019 ny folo; ary samy soraty eo amin\u2019 ny tehiny avy ny anaran\u2019 izy rehetra. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:18", "text": "Fa ny anaran\u2019 i Arona no hosoratanao amin\u2019 ny tehin\u2019 i Levy; fa tehina iray avy no ho an\u2019 ny lohan\u2019 ny fianakaviany. " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:19", "text": "Dia hataonao ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan\u2019 ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:20", "text": "Ary ny tehin\u2019 ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo. " }, { "verse": 21, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:21", "text": "Ary Mosesy dia niteny tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka ny lohan\u2019 ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin\u2019 ny folo; ary ny tehin\u2019 i Arona dia teo afovoan\u2019 ireo tehiny ireo. " }, { "verse": 22, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:22", "text": "Dia napetrak\u2019 i Mosesy teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia tao amin\u2019 ny trano lain\u2019 ny Vavolombelona ireo tehina ireo. " }, { "verse": 23, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:23", "text": "Ary nony ampitso dia niditra tao amin\u2019 ny trano-lain\u2019 ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin\u2019 i Arona, izay ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala. " }, { "verse": 24, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:24", "text": "Dia nentin\u2019 i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy. " }, { "verse": 25, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:25", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Avereno ny tehin\u2019 i Arona ho eo anoloan\u2019 ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an\u2019 ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:26", "text": "Dia nataon\u2019 i Mosesy izany; araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah azy no nataony. " }, { "verse": 27, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:27", "text": "Dia niteny tamin\u2019 i Mosesy ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra. " }, { "verse": 28, "chapter": 17, "name": "Numbers 17:28", "text": "Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin\u2019 i Jehovah; ho lany maty va izahay? " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Numbers 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:1", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana mas\u00ecna; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:2", "text": "Ary ny rahalahinao avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Levy izay firenen\u2019 ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan\u2019 ny trano-lain\u2019 ny Vavolombelona. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:3", "text": "Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana mas\u00ecna sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:4", "text": "Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:5", "text": "Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana mas\u00ecna sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak\u2019 Isiraely intsony. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:6", "text": "Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an\u2019 i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:7", "text": "Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin\u2019 ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin\u2019 ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:8", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-mas\u00ecna rehetra aterin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:9", "text": "Izao no ho anao amin\u2019 ny zavatra mas\u00ecna indrindra, avy amin\u2019 ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho mas\u00ecna indrindra ho anao sy ny taranakao izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:10", "text": "Toy ny fihinananao ny zavatra mas\u00ecna indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: mas\u00ecna ho anao izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:11", "text": "Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin\u2019 ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:12", "text": "Izay rehetra tsara indrindra amin\u2019 ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an\u2019 i Jehovah, dia efa nomeko anao. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:13", "text": "Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin\u2019 ny taniny, izay hateriny ho an\u2019 i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin\u2019 ny ankohonanao no mahazo mihinana azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:14", "text": "Ny zavatra rehetra voatokana amin\u2019 ny Isiraely dia ho anao. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:15", "text": "Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an\u2019 i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:16", "text": "Ary ny amin\u2019 ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely mas\u00ecna (gera roa-polo izany). " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:17", "text": "Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa mas\u00ecna ireny; ny r\u00e0ny dia hatopinao amin\u2019 ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:18", "text": "Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:19", "text": "Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna aterin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ho an\u2019 i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan\u2019 i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:20", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin\u2019 ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:21", "text": "Ary, indro, ny taranak\u2019 i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin\u2019 ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:22", "text": "Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak\u2019 Isiraely, fandrao meloka izy ka maty. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:23", "text": "Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lal\u00e0na mandrakizay amin\u2019 ny taranakareo hatramin\u2019 ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:24", "text": "Fa ny fahafolon-karen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an\u2019 i Jehovah, dia efa nomeko ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:25", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:26", "text": "Mitenena indray amin\u2019 ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin\u2019 ny zanak\u2019 Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:27", "text": "Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin\u2019 ny famiazana. " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:28", "text": "Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an\u2019 i Jehovah avy amin\u2019 ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary avy amin\u2019 izany no hanateranareo ho an\u2019 i Jehovah, dia ho an\u2019 i Arona mpisorona. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:29", "text": "Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an\u2019 i Jehovah, dia amin\u2019 izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra mas\u00ecna avy aminy. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:30", "text": "Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an\u2019 ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin\u2019 ny famiazana izany. " }, { "verse": 31, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:31", "text": "Dia mahazo mihinana izany eo amin\u2019 ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 32, "chapter": 18, "name": "Numbers 18:32", "text": "Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-mas\u00ecna aterin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia tsy ho faty ianareo. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Numbers 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:2", "text": "Izao no lal\u00e0na hotandremana, izay efa nandidian\u2019 i Jehovah: Lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mba hitondrany vantotr\u2019 ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:3", "text": "Ary omeo ho an\u2019 i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan\u2019 ny toby ka hovonoina eo anatrehany. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:4", "text": "Dia hanalan\u2019 i Eleazara mpisorona amin\u2019 ny fanondrony ny r\u00e0ny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:5", "text": "Dia hodorana eo imasony ilay vantotr\u2019 ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny r\u00e0ny mbamin\u2019 ny tain-drorohany dia hodorana avokoa. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:6", "text": "Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan\u2019 ny afo andoroana ny vantotr\u2019 ombivavy. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:7", "text": "Dia hosasan\u2019 ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin\u2019 ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin\u2019 ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro ny mpisorona. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:8", "text": "Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin\u2019 ny rano, ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:9", "text": "Dia hangonin\u2019 izay lehilahy madio anankiray ny lavenon\u2019 ilay vantotr\u2019 ombivavy ka hapetrany eo ivelan\u2019 ny toby eo amin\u2019 izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an\u2019 ny fiangonan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:10", "text": "Ary ilay nanangona ny lavenon\u2019 ny vantotr\u2019 ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro; ary ho lal\u00e0na mandrakizay ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:11", "text": "Izay mikasika fatin\u2019 olona dia haloto hafitoana. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:12", "text": "Hanadio ny tenany amin\u2019 izany rano izany izy amin\u2019 ny andro fahatelo, ary amin\u2019 ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin\u2019 ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin\u2019 ny andro fahafito. " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:13", "text": "Izay rehetra mikasika fatin\u2019 olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin\u2019 i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin\u2019 ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:14", "text": "Izao no lal\u00e0na, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin\u2019 ny lay dia haloto hafitoana. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:15", "text": "Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:16", "text": "Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin\u2019 olona, na taolan\u2019 olona, na fasana, dia haloto hafitoana. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:17", "text": "Dia hangalana ho an\u2019 ny maloto ny lavenon\u2019 ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin\u2019 ny rano mandeha izany eo am-bilia. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:18", "text": "Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin\u2019 ny rano, dia hafafiny amin\u2019 ny lay mbamin\u2019 ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin\u2019 aretina, na ny fasana. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:19", "text": "Ary ny maloto dia hofafazan\u2019 ilay olona madio amin\u2019 ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin\u2019 ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin\u2019 ny rano, dia hadio rehefa hariva. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:20", "text": "Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin\u2019 ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin\u2019 i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:21", "text": "Dia ho lal\u00e0na mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "Numbers 19:22", "text": "Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan\u2019 ny andro. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Numbers 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak\u2019 Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:2", "text": "Ary tsy nisy rano ho an\u2019 ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin\u2019 i Mosesy sy Arona. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:3", "text": "Dia nila ady tamin\u2019 i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin\u2019 ny nahafatesan\u2019 ny rahalahinay teo anatrehan\u2019 i Jehovah! " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:4", "text": "Fa nahoana no nitondra ny fiangonan\u2019 i Jehovah ho amin\u2019 ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto? " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:5", "text": "Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin\u2019 ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akory, sady tsy misy rano hosotroina? " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:6", "text": "Dia niala teo anatrehan\u2019 ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:7", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:8", "text": "Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin\u2019 ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an\u2019 ny olona avy amin\u2019 ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:9", "text": "Dia nalain\u2019 i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan\u2019 i Jehovah, araka izay nandidiany azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:10", "text": "Dia novorin\u2019 i Mosesy sy Arona teo anoloan\u2019 ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin\u2019 ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:11", "text": "Ary Mosesy dia nanainga ny t\u00e0nany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin\u2019 ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:12", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin\u2019 ny tany izay nomeko azy ianareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:13", "text": "Ity no ranon\u2019 i Meriba, izay nilan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ady tamin\u2019 i Jehovah, ka nisehoan\u2019 i Jehovah ho mas\u00ecna tamin\u2019 ny nataony taminy. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:14", "text": " Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Edoma hanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay: " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:15", "text": "dia ny nidinan\u2019 ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana; " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:16", "text": "ary raha nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tan\u00e0na eto amin\u2019 ny faritry ny taninao, izahay; " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:17", "text": "koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin\u2019 ny lavaka fantsakana akory: ny lalan\u2019 andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin\u2019 ny ankavanana na ho amin\u2019 ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:18", "text": "Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin\u2019 ny sabatra aho. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:19", "text": "Dia hoy ny Zanak\u2019 Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman\u2019 ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:20", "text": "Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo at\u1ef3 ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao t\u00e0na-mahery. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:21", "text": "Toy izany no nandavan\u2019 ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:22", "text": "Ary nifindra ny Zanak\u2019 Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:23", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Edoma, ka nanao hoe: " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:24", "text": "Arona hangonina any amin\u2019 ny razany; fa tsy hiditra any amin\u2019 ny tany izay nomeko ny Zanak\u2019 Isiraely izy, satria nand\u00e0 ny teniko teo amin\u2019 ny ranon\u2019 i Meriba ianareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:25", "text": "Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka; " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:26", "text": "dia esory ny fitafian\u2019 i Arona, ka atafio an\u2019 i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin\u2019 ny razany ka ho faty ao. " }, { "verse": 27, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:27", "text": "Ary Mosesy nanao araka izay nandidian\u2019 i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason\u2019 ny fiangonana rehetra izy telo mianaka. " }, { "verse": 28, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:28", "text": "Dia nesorin\u2019 i Mosesy ny fitafian\u2019 i Arona ka natafiny an\u2019 i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon\u2019 ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara. " }, { "verse": 29, "chapter": 20, "name": "Numbers 20:29", "text": "Koa nony hitan\u2019 ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak\u2019 Isiraely rehetra. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Numbers 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:1", "text": " Ary raha ren\u2019 ilay Kananita, mpanjakan\u2019 i Arada, izay nonina teo amin\u2019 ny tany atsimo, fa efa mandeha amin\u2019 ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:2", "text": "Dia nivoady tamin\u2019 i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:3", "text": "Ary Jehovah nihaino ny feon\u2019 ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon\u2019 ny Isiraely levona izy sy ny tan\u00e0nany; koa ny anaran\u2019 izany tany izany dia natao hoe Horma. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:4", "text": " Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin\u2019 ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin\u2019 ny olona noho ny lalana. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:5", "text": "Ary niteny nanome tsiny an\u2019 Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpisafo-tany izahay ho faty at\u1ef3 an-efitra? fa tsy misy mofo na rano at\u1ef3 ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:6", "text": "Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran\u2019 afo teny amin\u2019 ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:7", "text": "Dia nankeo amin\u2019 i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an\u2019 i Jehovah sy ianao. Ifony amin\u2019 i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an\u2019 ny olona Mosesy. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:8", "text": "Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran\u2019 afo, ka ahant\u00f2ny amin\u2019 ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:9", "text": "Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin\u2019 ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:10", "text": " Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:11", "text": "Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin\u2019 ny efitra izay mifanolotra amin\u2019 i Moaba, tandrifin\u2019 ny fiposahan\u2019 ny masoandro. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:12", "text": "Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin\u2019 ny lohasahan-driaka Zareda. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:13", "text": "Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin\u2019 i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin\u2019 ny Moabita, eo anelanelan\u2019 ny Moabita sy ny Amorita. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:14", "text": "Koa izany no ilazana eo amin\u2019 ny Bokin\u2019 ny Adin\u2019 i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona, " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:15", "text": "Ary ny tany kisolosolo amin\u2019 ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin\u2019 ny tanin\u2019 i Ara ka mipaka amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:16", "text": "Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:17", "text": "Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy; " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:18", "text": "Lavaka fantsakana izay nohadin\u2019 ireo mpanao lal\u00e0na, ary nolavahan\u2019 ireo manan-kaja amin\u2019 ny firenena. Tamin\u2019 ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:19", "text": "Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota; " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:20", "text": "ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin\u2019 ny tany Moaba, ao an-tampon\u2019 i Pisga, izay manatrika ny efitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:21", "text": "Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, hanao hoe: " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:22", "text": "Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin\u2019 ny saha na ho amin\u2019 ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin\u2019 ny lavaka fantsakana; ny lalan\u2019 andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao. " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:23", "text": "Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin\u2019 ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin\u2019 ny Isiraely teo izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:24", "text": "Ary ny Isiraely namely azy tamin\u2019 ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona; fa mafy ny fari-tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:25", "text": "Dia nalain\u2019 ny Isiraely izany tan\u00e0na rehetra izany; ary nonenany ny tan\u00e0nan\u2019 ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra. " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:26", "text": "Hesbona no tan\u00e0nan\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan\u2019 i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona. " }, { "verse": 27, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:27", "text": "Izany no nanaovan\u2019 ny mpanao oha-teny hoe: Mid\u00ecra ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tan\u00e0nan\u2019 i Sihona; " }, { "verse": 28, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:28", "text": "Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tan\u00e0nan\u2019 i Sihona, Ka nandevona an\u2019 i Aran\u2019 i Moaba sy ny tompon\u2019 ny havoan\u2019 i Arnona. " }, { "verse": 29, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:29", "text": "Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon\u2019 i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita. " }, { "verse": 30, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:30", "text": "Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an\u2019 i Medeba. " }, { "verse": 31, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:31", "text": "Dia nitoetra tao amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Amorita ny Isiraely. " }, { "verse": 32, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:32", "text": "Ary Mosesy naniraka olona hisafo an\u2019 i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany. " }, { "verse": 33, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:33", "text": "Ary niverina ny olona ka niakatra tamin\u2019 ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy. " }, { "verse": 34, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:34", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona. " }, { "verse": 35, "chapter": 21, "name": "Numbers 21:35", "text": "Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "Numbers 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:1", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:2", "text": " Ary Balaka, zanak\u2019 i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny Amorita. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:3", "text": "Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan\u2019 ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:4", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 ny loholon\u2019 ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan\u2019 ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak\u2019 i Zipora, no mpanjakan\u2019 i Moaba tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:5", "text": "Dia naniraka olona izy ho any amin\u2019 i Balama, zanak\u2019 i Beora, any Petora, izay eo amoron\u2019 ny Ony, dia eo amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko; " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:6", "text": "koa ankehitriny mba mankanesa at\u1ef3, ka oz\u00f2ny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin\u2019 ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:7", "text": "Dia nandeha ny loholon\u2019 ny Moabita sy ny loholon\u2019 ny Midianita nitondra ny saran\u2019 ny fankatovana teny an-t\u00e0nany; dia nankany amin\u2019 i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin\u2019 i Balaka. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:8", "text": "Ary hoy Balama taminy: Mandria at\u1ef3 anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain\u2019 i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin\u2019 i Balama ireo andriandahin\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:9", "text": "Ary Andriamanitra nankao amin\u2019 i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo? " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:10", "text": "Dia hoy Balama tamin\u2019 Andriamanitra: Balaka, zanak\u2019 i Zipora, mpanjakan\u2019 i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:11", "text": "Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa at\u1ef3 ankehitriny, ka oz\u00f2ny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:12", "text": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:13", "text": "Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin\u2019 ireo andriandahin\u2019 i Balaka hoe: Andeha mody any amin\u2019 ny taninareo; fa tsy avelan\u2019 i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:14", "text": "Ary niainga ireo andriandahin\u2019 i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:15", "text": "Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:16", "text": "Dia tonga tao amin\u2019 i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Balaka, zanak\u2019 i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao at\u1ef3 amiko; " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:17", "text": "fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa mas\u00ecna ianao, mankanesa at\u1ef3, oz\u00f2ny ho ahy ity firenena ity. " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:18", "text": "Fa namaly Balama ka nanao tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Balaka hoe: Na dia homen\u2019 i Balaka volafotsy sy volemana eran\u2019 ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin\u2019 i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:19", "text": "Nefa, na dia izany aza, mitoera at\u1ef3 ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain\u2019 i Jehovah amiko koa. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:20", "text": "Ary nony alina dia nankao amin\u2019 i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan\u2019 ireo olona ireo, dia miaing\u00e0 ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:21", "text": "Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin\u2019 ireo andriandahin\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:22", "text": "Ary nirehitra taminy ny fahatezeran\u2019 Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:23", "text": "Dia hitan\u2019 ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-t\u00e0nany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin\u2019 ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin\u2019 ny lalana. " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:24", "text": "Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan\u2019 ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa. " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:25", "text": "Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah, dia niampify teo amin\u2019 ny fefy ka nanery ny tongotr\u2019 i Balama tamin\u2019 ny fefy; dia nikapoka azy indray izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:26", "text": "Ary mbola nandroso Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah ka nijanona teo amin\u2019 ny fitoerana \u00e8ty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia. " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:27", "text": "Ary ny boriky nahita ilay Anjelin\u2019 i Jehovah, dia nandry teo ambanin\u2019 i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran\u2019 i Balama ka nikapoka ny boriky tamin\u2019 ny tehina izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:28", "text": "Dia nosokafan\u2019 i Jehovah ny vavan\u2019 ny boriky, ka hoy ny boriky tamin\u2019 i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao? " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:29", "text": "Dia hoy Balama tamin\u2019 ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra et\u1ef3 an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny. " }, { "verse": 30, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:30", "text": "Ary hoy ny boriky tamin\u2019 i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia. " }, { "verse": 31, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:31", "text": "Dia nampahiratin\u2019 i Jehovah ny mason\u2019 i Balama hahita Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-t\u00e0nany; dia niondrika izy ka niankohoka. " }, { "verse": 32, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:32", "text": "Ary hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao. " }, { "verse": 33, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:33", "text": "Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko. " }, { "verse": 34, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:34", "text": "Dia hoy Balama tamin\u2019 Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho. " }, { "verse": 35, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:35", "text": "Fa hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Balama: Mandehana ihany miaraka amin\u2019 ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin\u2019 ireo andriandahin\u2019 i Balaka. " }, { "verse": 36, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:36", "text": "Ary nony ren\u2019 i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin\u2019 ny Tan\u00e0nan\u2019 i Moaba, teo amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Arnona, izay eo amin\u2019 ny sisin\u2019 ny fari-tany. " }, { "verse": 37, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:37", "text": "Ary hoy Balaka tamin\u2019 i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao? " }, { "verse": 38, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:38", "text": "Dia hoy Balama tamin\u2019 i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon\u2019 Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko. " }, { "verse": 39, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:39", "text": "Dia nandeha Balama niaraka tamin\u2019 i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy. " }, { "verse": 40, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:40", "text": "Ary Balaka namono omby sy ondry aman\u2019 osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an\u2019 i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy. " }, { "verse": 41, "chapter": 22, "name": "Numbers 22:41", "text": " Ary nony maraina Balama dia nalain\u2019 i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin\u2019 ny sisin\u2019 ny tobiny. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "Numbers 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:1", "text": "Ary hoy Balama tamin\u2019 i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr\u2019 ombilahy fito sy ondrilahy fito. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:2", "text": "Dia narahin\u2019 i Balaka izay efa nolazain\u2019 i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr\u2019 ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin\u2019 ny isan\u2019 alitara. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:3", "text": "Dia hoy Balama tamin\u2019 i Balaka: Mitoera eto anilan\u2019 ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin\u2019 ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:4", "text": "Ary Andriamanitra dia nihaona tamin\u2019 i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr\u2019 ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin\u2019 ny isan\u2019 alitara aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:5", "text": "Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan\u2019 i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin\u2019 i Balaka, ary izany no holazainao. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:6", "text": "Dia niverina tany amin\u2019 i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan\u2019 ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin\u2019 i Moaba rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:7", "text": "Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan\u2019 i Moaba nampaka ahy avy tany amin\u2019 ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka oz\u00f2ny ho ahy Jakoba; ary mankanesa at\u1ef3, ka sahatoy ny Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:8", "text": "Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin\u2019 Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:9", "text": "Fa eto an-tampon\u2019 ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin\u2019 ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan\u2019 ny jentilisa. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:10", "text": "Iza no mahisa ny vovok\u2019 i Jakoba, na ny isan\u2019 ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan\u2019 ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy! " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:11", "text": "Dia hoy Balaka tamin\u2019 i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:12", "text": "Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon\u2019 i Jehovah eto am-bavako? " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:13", "text": "Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin\u2019 ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka oz\u00f2ny ho ahy ao izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:14", "text": "Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon\u2019 i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr\u2019 ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin\u2019 ny isan\u2019 alitara. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:15", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 i Balaka: Mitoera eto anilan\u2019 ny fanatitra doranao, fa izaho hanker\u1ef3 hihaona amin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:16", "text": "Ary Jehovah nihaona tamin\u2019 i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin\u2019 i Balaka ary izany no holazainao. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:17", "text": "Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan\u2019 ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin\u2019 i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:18", "text": "Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsang\u00e0na, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak\u2019 i Zipora; " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:19", "text": "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak\u2019 olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny? " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:20", "text": "Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:21", "text": "Tsy mijery faharatsiana eo amin\u2019 i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin\u2019 ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin\u2019 andriana no re eo aminy. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:22", "text": "Nentin\u2019 Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga, " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:23", "text": "Fa tsy misy fisikidianana eo amin\u2019 i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin\u2019 Isiraely. Fa amin\u2019 ny fotoana no hilazana amin\u2019 i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:24", "text": "Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran\u2019 ny voavono. " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:25", "text": "Dia hoy Balaka tamin\u2019 i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:26", "text": "Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin\u2019 i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain\u2019 i Jehovah, izany no hataoko? " }, { "verse": 27, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:27", "text": "Dia hoy Balaka tamin\u2019 i Balama: Andeha ho entiko any amin\u2019 izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak\u2019 Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy. " }, { "verse": 28, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:28", "text": "Ary Balama dia nentin\u2019 i Balaka ho ao an-tampon\u2019 i Peora, izay manatrika ny efitra. " }, { "verse": 29, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:29", "text": "Dia hoy Balama tamin\u2019 i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr\u2019 ombilahy fito sy ondrilahy fito. " }, { "verse": 30, "chapter": 23, "name": "Numbers 23:30", "text": "Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain\u2019 i Balama ka nanatitra vantotr\u2019 ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin\u2019 ny isan\u2019 alitara. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "Numbers 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:1", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Balama fa sitrak\u2019 i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:2", "text": "Dia natopin\u2019 i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin\u2019 Andriamanitra tonga tamin\u2019 i Balama. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:3", "text": "Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak\u2019 i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:4", "text": "Izay mandre ny tenin\u2019 Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin\u2019 ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:5", "text": "Endrey ny hatsaran\u2019 ny lainao, ry Jakoba \u00f4! sy ny lasinao, ry Isiraely \u00f4! " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:6", "text": "Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron\u2019 ony, tahaka ny hazo manitra nambolen\u2019 i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:7", "text": "Hisy rano mandeha avy eo amin\u2019 ny sininy, ary ny taranany ho any amoron\u2019 ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:8", "text": "Nentin\u2019 Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin\u2019 ny zana-tsip\u00eckany. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:9", "text": "Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao! " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:10", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 i Balama ny fahatezeran\u2019 i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin\u2019 i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:11", "text": "Koa ankehitriny, mandosira ho any amin\u2019 ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:12", "text": "Dia hoy Balama tamin\u2019 i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin\u2019 ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe: " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:13", "text": "Na dia homen\u2019 i Balaka volafotsy sy volamena eran\u2019 ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin\u2019 i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin\u2019 ny saiko; izay holazain\u2019 i Jehovah ihany no holazaiko? " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:14", "text": "Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin\u2019 ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin\u2019 izay hataon\u2019 ity firenena ity amin\u2019 ny vahoakanao any am-parany. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:15", "text": "Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak\u2019 i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony; " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:16", "text": "Izay mandre ny tenin\u2019 Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan\u2019 ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin\u2019 ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:17", "text": "Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin\u2019 i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin\u2019 Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin\u2019 i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:18", "text": "Edoma sy Se\u00efra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:19", "text": "Ary avy amin\u2019 i Jakoba no isehoan\u2019 Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tan\u00e0na. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:20", "text": "Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin\u2019 ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:21", "text": "Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin\u2019 ny vatolampy ny akaninao. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:22", "text": "Kanefa ho ringana Kaina, alohan\u2019 ny hamaboan\u2019 i Asyra anao. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:23", "text": "Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra? " }, { "verse": 24, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:24", "text": "Ary hisy sambo avy any amin\u2019 ny tany Kitima, dia hampietry an\u2019 i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany. " }, { "verse": 25, "chapter": 24, "name": "Numbers 24:25", "text": "Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin\u2019 ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin\u2019 izay nalehany. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "Numbers 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:1", "text": " Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Moabita izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:2", "text": "Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin\u2019 ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an\u2019 ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin\u2019 ny andriamaniny. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:3", "text": "Dia niray tamin\u2019 i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:4", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahant\u00f2ny tandrifin\u2019 ny masoandro eo anatrehan\u2019 i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan\u2019 ny firehetan\u2019 ny fahatezeran\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:5", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin\u2019 i Bala-peora. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:6", "text": "Ary, indro, avy ny anankiray tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin\u2019 ny rahalahiny, teo imason\u2019 i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:7", "text": "Ary raha nahita izany Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara, zanak\u2019 i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin\u2019 ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-t\u00e0nany; " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:8", "text": "dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin\u2019 ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:9", "text": "Ary izay maty tamin\u2019 ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:10", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:11", "text": "Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara, zanak\u2019 i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny firehetan\u2019 ny fahatezerako. " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:12", "text": "Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken\u2019 ny fihavanako; " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:13", "text": "ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken\u2019 ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an\u2019 Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:14", "text": "Ary ny anaran\u2019 ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Simeonita. " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:15", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak\u2019 i Zora, lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Midianita. " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:16", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:17", "text": "Rafeso ny Midianita, ka iadio; " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:18", "text": "fa izy nandrafy anareo tamin\u2019 ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin\u2019 ny an\u2019 i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin\u2019 ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin\u2019 ny andron\u2019 ny areti-mandringana noho ny an\u2019 i Peora. " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "Numbers 25:19", "text": "" } ] }, { "chapter": 26, "name": "Numbers 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:1", "text": " Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy sy Eleazara, zanak\u2019 i Arona mpisorona: " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:2", "text": "Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin\u2019 ny Isiraely azo halefa hanafika. " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:3", "text": "Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko, ka nanao hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:4", "text": "Ny hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy sy ny Zanak\u2019 Isiraely izay nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:5", "text": "Robena, lahimatoan\u2019 Isiraely; ary ny zanak\u2019 i Robena dia Hanoka sy ny fokon\u2019 ny Hanokita; avy tamin\u2019 i Palo ny fokon\u2019 ny Palo\u00efta; " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:6", "text": "avy tamin\u2019 i Hezrona ny fokon\u2019 ny Hezronita; avy tamin\u2019 i Karmy ny fokon\u2019 ny Karmita. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:7", "text": "Ireo no fokon\u2019 ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:8", "text": "Ary ny zanak\u2019 i Palo dia Eliaba. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:9", "text": "Ary ny zanak\u2019 i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Ab\u00ecrama. Ireo dia ilay Datana sy Ab\u00ecrama, olom-boafidin\u2019 ny fiangonana, izay nila ady tamin\u2019 i Mosesy sy Arona, teo amin\u2019 ny antokon\u2019 i Kora, raha nila ady tamin\u2019 i Jehovah izy, " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:10", "text": "ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin\u2019 i Kora, tamin\u2019 ny nahafatesan\u2019 izany antokony izany, ary levon\u2019 ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:11", "text": "Kanefa ny zanak\u2019 i Kora tsy mba maty. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:12", "text": "Ny taranak\u2019 i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin\u2019 i Nemoela ny fokon\u2019 ny Nemoelita; avy tamin\u2019 i Jamina ny fokon\u2019 ny Jaminita; avy tamin\u2019 i Jakina ny fokon\u2019 ny Jakinita; " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:13", "text": "avy tamin\u2019 i Zera ny fokon\u2019 ny Zerita; avy tamin\u2019 i Saoly ny fokon\u2019 ny Saolita. " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:14", "text": "Ireo no fokon\u2019 ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina. " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:15", "text": "Ny taranak\u2019 i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin\u2019 i Zefona ny fokon\u2019 ny Zefonita; avy tamin\u2019 i Hagy ny fokon\u2019 ny Hagita; avy tamin\u2019 i Sony ny fokon\u2019 ny Sonita; " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:16", "text": "avy tamin\u2019 i Ozny ny fokon\u2019 ny Oznita; avy tamin\u2019 i Er\u1ef3 ny fokon\u2019 ny Erita; " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:17", "text": "avy tamin\u2019 i Aroda ny fokon\u2019 ny Arodita; avy tamin\u2019 i Arely ny fokon\u2019 ny Arelita. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:18", "text": "Ireo no fokon\u2019 ny zanak\u2019 i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:19", "text": "Ny zanak\u2019 i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin\u2019 ny tany Kanana ihany. " }, { "verse": 20, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:20", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin\u2019 i Sela ny fokon\u2019 ny Selita; avy tamin\u2019 i Fareza ny fokon\u2019 ny Farezita; avy tamin\u2019 i Zera ny fokon\u2019 ny Zerita. " }, { "verse": 21, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:21", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Fareza dia izao: avy tamin\u2019 i Hezrona ny fokon\u2019 ny Hezronita; avy tamin\u2019 i Hamola ny fokon\u2019 ny Hamolita. " }, { "verse": 22, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:22", "text": "Ireo no fokon\u2019 i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina. " }, { "verse": 23, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:23", "text": "Ny taranak\u2019 Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin\u2019 i Tola ny fokon\u2019 ny Tolita; avy tamin\u2019 i Pova ny fokon\u2019 ny Povita; " }, { "verse": 24, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:24", "text": "avy tamin\u2019 i Jasoba ny fokon\u2019 ny Jasobita; avy tamin\u2019 i Simrona ny fokon\u2019 ny Simronita, " }, { "verse": 25, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:25", "text": "Ireo no fokon\u2019 Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina. " }, { "verse": 26, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:26", "text": "Ny taranak\u2019 i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin\u2019 i Sereda ny fokon\u2019 ny Seredita; avy tamin\u2019 i Elona ny fokon\u2019 ny Elonita; avy tamin\u2019 i Jahalela ny fokon\u2019 ny Jahalelita. " }, { "verse": 27, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:27", "text": "Ireo no fokon\u2019 ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina. " }, { "verse": 28, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:28", "text": "Ny zanak\u2019 i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima. " }, { "verse": 29, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:29", "text": "Ny taranak\u2019 i Manase dia izao: avy tamin\u2019 i Makira ny fokon\u2019 ny Makirita; ary Makira niteraka an\u2019 i Gileada; avy tamin\u2019 i Gileada ny fokon\u2019 ny Gileadita. " }, { "verse": 30, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:30", "text": "Izao no taranak\u2019 i Gileada: avy tamin\u2019 i Jezera ny fokon\u2019 ny Jezerita; avy tamin\u2019 i Heleka ny fokon\u2019 ny Helekita; " }, { "verse": 31, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:31", "text": "ary avy tamin\u2019 i Asriela ny fokon\u2019 ny Asrielita; ary avy tamin\u2019 i Sekema ny fokon\u2019 ny Sekemita; " }, { "verse": 32, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:32", "text": "ary avy tamin\u2019 i Semida ny fokon\u2019 ny Semidita; ary avy tamin\u2019 i Hefera ny fokon\u2019 ny Heferita. " }, { "verse": 33, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:33", "text": "Ary Zelofada, zanak\u2019 i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. " }, { "verse": 34, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:34", "text": "Ireo no fokon\u2019 i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina. " }, { "verse": 35, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:35", "text": "Izao no taranak\u2019 i Efraima, araka ny fokony: avy tamin\u2019 i Sotela ny fokon\u2019 ny Sotelita; avy tamin\u2019 i Bekera ny fokon\u2019 ny Bekerita; avy tamin\u2019 i Tahana ny fokon\u2019 ny Tahanita. " }, { "verse": 36, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:36", "text": "Ary izao no taranak\u2019 i Sotela: avy tamin\u2019 i Erana ny fokon\u2019 ny Eranita. " }, { "verse": 37, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:37", "text": "Ireo no fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak\u2019 i Josefa araka ny fokony. " }, { "verse": 38, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:38", "text": "Ny taranak\u2019 i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin\u2019 i Bela ny fokon\u2019 ny Belita; avy tamin\u2019 i Asibela ny fokon\u2019 ny Asibelita; avy tamin\u2019 i Ahirama ny fokon\u2019 ny Ahiramita; " }, { "verse": 39, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:39", "text": "avy tamin\u2019 i Sefofama ny fokon\u2019 ny Sefofamita; avy tamin\u2019 i Hofama ny fokon\u2019 ny Hofamita. " }, { "verse": 40, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:40", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon\u2019 ny Ardita; ary avy tamin\u2019 i Namana ny fokon\u2019 ny Namanita. " }, { "verse": 41, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:41", "text": "Ireo no taranak\u2019 i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 42, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:42", "text": "Izao no taranak\u2019 i Dana, araka ny fokony: avy tamin\u2019 i Sohama ny fokon\u2019 ny Sohamita. Ireo no fokon\u2019 i Dana, araka ny fokony. " }, { "verse": 43, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:43", "text": "Ny fokon\u2019 ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina. " }, { "verse": 44, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:44", "text": "Ny taranak\u2019 i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin\u2019 i Jimna ny fokon\u2019 ny Jimnita; avy tamin\u2019 i Jisvy ny fokon\u2019 ny Jisvita; avy tamin\u2019 i Bena ny fokon\u2019 ny Berita; " }, { "verse": 45, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:45", "text": "avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Bena dia izao: avy tamin\u2019 i Hebera ny fokon\u2019 ny Heberita; avy tamin\u2019 i Malkiela ny fokon\u2019 ny Malkielita. " }, { "verse": 46, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:46", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Asera dia Sera. " }, { "verse": 47, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:47", "text": "Ireo no fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. " }, { "verse": 48, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:48", "text": "Ny taranak\u2019 i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin\u2019 i Jaziela ny fokon\u2019 ny Jazielita; avy tamin\u2019 i Gony ny fokon\u2019 ny Gonita; " }, { "verse": 49, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:49", "text": "avy tamin\u2019 i Jezera ny fokon\u2019 ny Jezerita; avy tamin\u2019 i Silema ny fokon\u2019 ny Silemita. " }, { "verse": 50, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:50", "text": "Ireo no fokon\u2019 i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina. " }, { "verse": 51, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:51", "text": "Ireo no voalamina tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy. " }, { "verse": 52, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:52", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 53, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:53", "text": "Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany. " }, { "verse": 54, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:54", "text": "Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny. " }, { "verse": 55, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:55", "text": "Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran\u2019 ny firenen\u2019 ny razany no hahazoany zara-tany. " }, { "verse": 56, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:56", "text": "Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an\u2019 ny maro, na ny ho an\u2019 ny vitsy. " }, { "verse": 57, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:57", "text": "Ary izao no voalamina tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Levy, araka ny fokony: avy tamin\u2019 i Gersona ny fokon\u2019 ny Gersonita; avy tamin\u2019 i Kehata ny fokon\u2019 ny Kehatita; avy tamin\u2019 i Merary ny fokon\u2019 ny Merarita. " }, { "verse": 58, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:58", "text": "Izao no fokon\u2019 i Levy: ny fokon\u2019 ny Libnita, ny fokon\u2019 ny Hebronita, ny fokon\u2019 ny Mahalita, ny fokon\u2019 ny Mosita, ny fokon\u2019 ny Koralta. Ary Kehata niteraka an\u2019 i Amrama. " }, { "verse": 59, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:59", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny vadin\u2019 i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin\u2019 i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an\u2019 i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin\u2019 i Amrama izy. " }, { "verse": 60, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:60", "text": "Ary ny naterak\u2019 i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. " }, { "verse": 61, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:61", "text": "Fa maty Nadaba sy Abiho tamin\u2019 izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 62, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:62", "text": "Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin\u2019 ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 63, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:63", "text": "Ireo no voalamin\u2019 i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak\u2019 Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 64, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:64", "text": "Ary tamin\u2019 ireo dia tsy nisy olona avy tamin\u2019 izay efa voalamin\u2019 i Mosesy sy Arona mpisorona tamin\u2019 izy nandamina ny Zanak\u2019 Isiraely tany an-efitr\u2019 i Sinay. " }, { "verse": 65, "chapter": 26, "name": "Numbers 26:65", "text": "Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin\u2019 ireny afa-tsy Kaleba, zanak\u2019 i Jefone, sy Josoa, zanak\u2019 i Nona, ihany. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "Numbers 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:1", "text": " Ary avy ny zanakavavin\u2019 i Zelofada, zanakalahin\u2019 i Hefera, zanak\u2019 i Gileada, zanak\u2019 i Makira, zanak\u2019 i Manase, avy tamin\u2019 ny fokon\u2019 i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza), " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:2", "text": "dia nitsangana teo anatrehan\u2019 i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan\u2019 ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:3", "text": "Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan\u2019 ny antokon\u2019 i Kora izay niangona hiodina tamin\u2019 i Jehovah tsy akory; fa matin\u2019 ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:4", "text": "Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin\u2019 ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin\u2019 ny rahalahin\u2019 ny rainay izahay. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:5", "text": "Ary nalahatr\u2019 i Mosesy teo anatrehan\u2019 i Jehovah ny tenin\u2019 ireo. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:6", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:7", "text": "Marina ny tenin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Zelofada: omeo zara-tany eo amin\u2019 ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:8", "text": "Ary lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:9", "text": "Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny. " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:10", "text": "Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny. " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:11", "text": "Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin\u2019 ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lal\u00e0na hitondrana ny Zanak\u2019 Isiraely izany araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:12", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Miakara amin\u2019 ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 13, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:13", "text": "Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin\u2019 ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an\u2019 i Arona rahalahinao; " }, { "verse": 14, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:14", "text": "fa nand\u00e0 ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin\u2019 ilay nilan\u2019 ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin\u2019 ny rano teo imasony. (Izany no ranon\u2019 i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.) " }, { "verse": 15, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:15", "text": "Ary Mosesy niteny tamin\u2019 i Jehovah hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:16", "text": "Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin\u2019 ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana " }, { "verse": 17, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:17", "text": "ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:18", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak\u2019 i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy; " }, { "verse": 19, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:19", "text": "ary asaovy mijoro eo anatrehan\u2019 i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao. " }, { "verse": 20, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:20", "text": "Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan\u2019 ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:21", "text": "Ary Josoa hijanona eo anatrehan\u2019 i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin\u2019 ny fitsaran\u2019 i Orima eo anatrehan\u2019 i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:22", "text": "Ary nataon\u2019 i Mosesy araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah azy; dia naka an\u2019 i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan\u2019 i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra " }, { "verse": 23, "chapter": 27, "name": "Numbers 27:23", "text": "ka nametraka ny t\u00e0nany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampitondrainy an\u2019 i Mosesy. " } ] }, { "chapter": 28, "name": "Numbers 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:2", "text": "Mandidia ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin\u2019 ny fotoany avy. " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:3", "text": "Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin\u2019 ny afo, izay haterinareo ho an\u2019 i Jehovah: zanak\u2019 ondry roa isan\u2019 andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:4", "text": "(ny zanak\u2019 ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak\u2019 ondry iray koa haterinao nony hariva), " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:5", "text": "ary koba tsara toto ampahafolon\u2019 ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:6", "text": "Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:7", "text": "Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry iray; ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna no hanidinanao divay ho an\u2019 i Jehovah ho fanatitra aidina. " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:8", "text": "Ary ny zanak\u2019 ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin\u2019 ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:9", "text": "Ary amin\u2019 ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak\u2019 ondry roa izay iray taona\u2019 sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:10", "text": "Fanatitra dorana amin\u2019 ny isan-tSabata izany, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:11", "text": "Ary izao no atero amin\u2019 ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah: vantotr\u2019 ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak\u2019 ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:12", "text": "ary koba tsara toto telo ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin\u2019 ny isan-ondrilahy iray, " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:13", "text": "ary koba tsara toto ampahafolon\u2019 ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:14", "text": "Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy iray, ary ampahatelon\u2019 ny hina ho amin\u2019 ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin\u2019 ny isam-bolana, araka ny volana amin\u2019 ny taona. " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:15", "text": "Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an\u2019 i Jehovah; ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:16", "text": "Ary ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana voalohany dia Paskan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:17", "text": "Ary ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira. " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:18", "text": "Amin\u2019 ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory; " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:19", "text": "fa izao no atero ho fanatitra atao amin\u2019 ny afo, dia fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah: vantotr\u2019 ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak\u2019 ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo). " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:20", "text": "ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon\u2019 ny efaha no hiaraka haterinareo amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy iray, ary roa ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-ondrilahy iray, " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:21", "text": "ary ampahafolon\u2019 ny efaha no hiaraka haterinao amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry, dia ny zanak\u2019 ondry fito), " }, { "verse": 22, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:22", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo. " }, { "verse": 23, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:23", "text": "Atero ireo ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva. " }, { "verse": 24, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:24", "text": "Araka izany no hanateranareo isan\u2019 andro amin\u2019 ny hafitoana, ho hanina ho an\u2019 i Jehovah, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:25", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahafito dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. " }, { "verse": 26, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:26", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an\u2019 i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory; " }, { "verse": 27, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:27", "text": "ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah: vantotr\u2019 ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak\u2019 ondry fito, izay iray taona avy, " }, { "verse": 28, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:28", "text": "ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy iray, roa ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan\u2019 ondrilahy iray, " }, { "verse": 29, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:29", "text": "ary ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry iray, dia amin\u2019 ny zanak\u2019 ondry fito) " }, { "verse": 30, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:30", "text": "ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo. " }, { "verse": 31, "chapter": 28, "name": "Numbers 28:31", "text": "Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "Numbers 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:1", "text": "Ary amin\u2019 ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany. " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:2", "text": "Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah: vantotr\u2019 ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak\u2019 ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:3", "text": "ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy iray, roa ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-ondrilahy iray, " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:4", "text": "ary ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry, dia ny zanak\u2019 ondry fito) " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:5", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo, " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:6", "text": "ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:7", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahafolo amin\u2019 izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory. " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:8", "text": "Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah: vantotr\u2019 ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak\u2019 ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo) " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:9", "text": "ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy iray, roa ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-ondrilahy iray, " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:10", "text": "ary ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry, dia amin\u2019 ny zanak\u2019 ondry fito) " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:11", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:12", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana fahafito dia hisy fivoriana mas\u00ecna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:13", "text": "Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah: vantotr\u2019 ombilahy telo ambin\u2019 ny folo sy ondrilahy roa ary zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema. " }, { "verse": 14, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:14", "text": "ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy, dia ny vantotr\u2019 ombilahy telo ambin\u2019 ny folo, ary roa ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa " }, { "verse": 15, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:15", "text": "ary ampahafolon\u2019 ny efaha amin\u2019 ny isan-janak\u2019 ondry, dia ny zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo) " }, { "verse": 16, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:16", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:17", "text": "Ary amin\u2019 ny andro faharoa koa dia vantotr\u2019 ombilahy roa ambin\u2019 ny folo sy ondrilahy roa ary zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 18, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:18", "text": "ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin\u2019 ny isam-bantotr\u2019 ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak\u2019 ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, " }, { "verse": 19, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:19", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:20", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahatelo koa dia vantotr\u2019 ombilahy iraika ambin\u2019 ny folo sy ondrilahy roa ary zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 21, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:21", "text": "ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak\u2019 ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, " }, { "verse": 22, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:22", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:23", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahefatra koa dia vantotr\u2019 ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 24, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:24", "text": "ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak\u2019 ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, " }, { "verse": 25, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:25", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 26, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:26", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahadimy koa dia vantotr\u2019 ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 27, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:27", "text": "ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak\u2019 ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, " }, { "verse": 28, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:28", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:29", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahenina koa dia vantotr\u2019 ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 30, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:30", "text": "ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak\u2019 ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, " }, { "verse": 31, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:31", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 32, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:32", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahafito koa dia vantotr\u2019 ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak\u2019 ondry efatra ambin\u2019 ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 33, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:33", "text": "ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak\u2019 ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, " }, { "verse": 34, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:34", "text": "ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 35, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:35", "text": "Ary amin\u2019 ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. " }, { "verse": 36, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:36", "text": "Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 i Jehovah: vantotr\u2019 ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak\u2019 ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, " }, { "verse": 37, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:37", "text": "ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak\u2019 ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao, " }, { "verse": 38, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:38", "text": "ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin\u2019 ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. " }, { "verse": 39, "chapter": 29, "name": "Numbers 29:39", "text": "Ireo no haterinareo ho an\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana. " } ] }, { "chapter": 30, "name": "Numbers 30", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:1", "text": "Dia nolazain\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:2", "text": " Ary Mosesy niteny tamin\u2019 ireo lohan\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 3, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:3", "text": "Raha misy lehilahy mivoady amin\u2019 i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. " }, { "verse": 4, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:4", "text": "Ary raha misy vehivavy mivoady amin\u2019 i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy, " }, { "verse": 5, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:5", "text": "ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny. " }, { "verse": 6, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:6", "text": "Fa raha nandrara azy rainy tamin\u2019 ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy. " }, { "verse": 7, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:7", "text": "Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon\u2019 ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady, " }, { "verse": 8, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:8", "text": "ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin\u2019 ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:9", "text": "Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin\u2019 ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony. " }, { "verse": 10, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:10", "text": "Fa ny amin\u2019 ny voadin\u2019 ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:11", "text": "Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon\u2019 ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady, " }, { "verse": 12, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:12", "text": "ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny. " }, { "verse": 13, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:13", "text": "Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin\u2019 ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony. " }, { "verse": 14, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:14", "text": "Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:15", "text": "Fa raha tsy niteny azy akory tamin\u2019 ny an-davan\u2019 andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin\u2019 ny andro nandrenesany. " }, { "verse": 16, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:16", "text": "Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian\u2019 ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 30, "name": "Numbers 30:17", "text": "Ireo no lal\u00e0na izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy ny amin\u2019 ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin\u2019 ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy. " } ] }, { "chapter": 31, "name": "Numbers 31", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:2", "text": "Valio ny Midianita noho ny nataony tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin\u2019 ny razanao ianao. " }, { "verse": 3, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:3", "text": "Dia niteny tamin\u2019 ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miom\u00e0na ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:4", "text": "Arivo lahy avy isam-pirenena amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika. " }, { "verse": 5, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:5", "text": "Dia navahana tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady. " }, { "verse": 6, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:6", "text": "Ary nampandehanin\u2019 i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka mas\u00ecna teny an-t\u00e0nany, dia ny trompetra avo feo. " }, { "verse": 7, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:7", "text": "Dia niady tamin\u2019 ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy " }, { "verse": 8, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:8", "text": "ary ny mpanjakan\u2019 i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin\u2019 ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak\u2019 i Beora, koa dia novonoiny tamin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 9, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:9", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman\u2019 ondriny rehetra ary ny fananany rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:10", "text": "Ary ny tan\u00e0nany rehetra izay teo amin\u2019 ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 11, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:11", "text": "Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy, " }, { "verse": 12, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:12", "text": "dia nentiny tany amin\u2019 i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 13, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:13", "text": "Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan\u2019 ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan\u2019 ny toby. " }, { "verse": 14, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:14", "text": "Ary tezitra tamin\u2019 ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin\u2019 ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika, " }, { "verse": 15, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:15", "text": "ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra? " }, { "verse": 16, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:16", "text": "Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 i Peora, araka ny tenin\u2019 i Balama, ka nahazo ny fiangonan\u2019 i Jehovah ny areti-mandringana. " }, { "verse": 17, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:17", "text": "Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy. " }, { "verse": 18, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:18", "text": "Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:19", "text": "Ary mitobia eo ivelan\u2019 ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin\u2019 ny andro fahatelo sy ny andro fahafito. " }, { "verse": 20, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:20", "text": "Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon\u2019 osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa. " }, { "verse": 21, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:21", "text": "Ary hoy Eleazara mpisorona tamin\u2019 ny mpanafika, izay efa tany amin\u2019 ny ady: Izao no lal\u00e0na hotandremana, izay nandidian\u2019 i Jehovah\u2019 an i Mosesy: " }, { "verse": 22, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:22", "text": "Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka, " }, { "verse": 23, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:23", "text": "dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin\u2019 ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin\u2019 ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin\u2019 ny rano ihany. " }, { "verse": 24, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:24", "text": "Ary sasao ny fitafianareo amin\u2019 ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin\u2019 ny toby ianareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:25", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 26, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:26", "text": "Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan\u2019 ny fianakaviana amin\u2019 ny fiangonana ny isan\u2019 ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy; " }, { "verse": 27, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:27", "text": "ary sasaho ny babo ho an\u2019 izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an\u2019 ny fiangonana rehetra; " }, { "verse": 28, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:28", "text": "kanefa mak\u00e0 anjara ho an\u2019 i Jehovah avy amin\u2019 ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman\u2019 osy; " }, { "verse": 29, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:29", "text": "ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an\u2019 i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 30, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:30", "text": "Ary ny antsasany an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman\u2019 osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an\u2019 ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 31, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:31", "text": "Dia nataon\u2019 i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 32, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:32", "text": "Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon\u2019 ny mpanafika, dia ondry aman\u2019 osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy, " }, { "verse": 33, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:33", "text": "sy omby roa arivo amby fito alina, " }, { "verse": 34, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:34", "text": "sy boriky arivo amby enina alina, " }, { "verse": 35, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:35", "text": "ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina. " }, { "verse": 36, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:36", "text": "Ary ny antsasany izay anjaran\u2019 ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan\u2019 ny ondry aman\u2019 osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy; " }, { "verse": 37, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:37", "text": "ary ny anjaran\u2019 i Jehovah avy tamin\u2019 ny ondry aman\u2019 osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato. " }, { "verse": 38, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:38", "text": "Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran\u2019 i Jehovah avy tamin\u2019 ireo dia roa amby fito-polo. " }, { "verse": 39, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:39", "text": "Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran\u2019 i Jehovah avy tamin\u2019 ireo dia iraika amby enim-polo. " }, { "verse": 40, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:40", "text": "Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran\u2019 i Jehovah avy tamin\u2019 ireo dia roa amby telo-polo. " }, { "verse": 41, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:41", "text": "Dia nomen\u2019 i Mosesy an\u2019 i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an\u2019 i Jehovah, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 42, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:42", "text": "Ary avy tamin\u2019 ny antsasany an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay nozarain\u2019 i Mosesy avy tamin\u2019 ny mpanafika " }, { "verse": 43, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:43", "text": "(fa ny antsasany an\u2019 ny fiangonana dia ondry aman\u2019 osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, " }, { "verse": 44, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:44", "text": "sy omby enina arivo amby telo alina, " }, { "verse": 45, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:45", "text": "sy boriky diman-jato amby telo alina, " }, { "verse": 46, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:46", "text": "ary olona enina arivo amby iray alina), " }, { "verse": 47, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:47", "text": "ny antsasany an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely dia nanalan\u2019 i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an\u2019 ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin\u2019 i Jehovah izany, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 48, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:48", "text": "Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an\u2019 i Mosesy " }, { "verse": 49, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:49", "text": "ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan\u2019 ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza; " }, { "verse": 50, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:50", "text": "koa nitondra fanatitra ho an\u2019 i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an\u2019 ny ainay eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 51, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:51", "text": "Dia noraisin\u2019 i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa. " }, { "verse": 52, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:52", "text": "Ary ny volamena rehetra tamin\u2019 ny fanatitra nalain\u2019 ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an\u2019 i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina " }, { "verse": 53, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:53", "text": "(fa ny mpanafika samy namabo ho an\u2019 ny tenany). " }, { "verse": 54, "chapter": 31, "name": "Numbers 31:54", "text": "Dia noraisin\u2019 i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen\u2019 ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 32, "name": "Numbers 32", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:1", "text": " Ary nanana omby aman\u2019 ondry be indrindra ny taranak\u2019 i Robena sy ny taranak\u2019 i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman\u2019 ondry io, " }, { "verse": 2, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:2", "text": "dia avy ny taranak\u2019 i Gada sy ny taranak\u2019 i Robena ka niteny tamin\u2019 i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny fiangonana ka nanao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:3", "text": "Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona, " }, { "verse": 4, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:4", "text": "ireo tany noresen\u2019 i Jehovah teo anoloan\u2019 ny fiangonan\u2019 ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman\u2019 ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman\u2019 ondry; " }, { "verse": 5, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:5", "text": "dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an\u2019 i Jordana izahay. " }, { "verse": 6, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:6", "text": "Dia hoy Mosesy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Gada sy ny taranak\u2019 i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va? " }, { "verse": 7, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:7", "text": "Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin\u2019 ny tany izay nomen\u2019 i Jehovah azy? " }, { "verse": 8, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:8", "text": "Izany no nataon\u2019 ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy; " }, { "verse": 9, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:9", "text": "fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin\u2019 ny tany izay efa nomen\u2019 i Jehovah azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:10", "text": "Ary nirehitra ny fahatezeran\u2019 i Jehovah tamin\u2019 izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:11", "text": "Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana Ahy izy; " }, { "verse": 12, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:12", "text": "afa-tsy Kaleba, zanak\u2019 i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak\u2019 i Nona, izay tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:13", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 ny Isiraely ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:14", "text": "Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan\u2019 ny fahatezeran\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 15, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:15", "text": "Fa raha miala amin\u2019 ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao. " }, { "verse": 16, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:16", "text": "Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an\u2019 ny omby aman\u2019 ondrinay sy tan\u00e0na koa ho an\u2019 ny zanakay madinika; " }, { "verse": 17, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:17", "text": "fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin\u2019 ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda noho ny mponina amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 18, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:18", "text": "Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny zara-taniny avy. " }, { "verse": 19, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:19", "text": "Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin\u2019 i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay at\u1ef3 an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana at\u1ef3 ny zara-taninay. " }, { "verse": 20, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:20", "text": "Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan\u2019 i Jehovah ho any an-tafika, " }, { "verse": 21, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:21", "text": "ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin\u2019 i Jordana eo anatrehan\u2019 i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany, " }, { "verse": 22, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:22", "text": "ka ho resy eo anatrehan\u2019 i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin\u2019 i Jehovah, na amin\u2019 ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:23", "text": "Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin\u2019 i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:24", "text": "Manaova tan\u00e0na ho an\u2019 ny zanakareo madinika sy vala ho an\u2019 ny ondry aman\u2019 osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:25", "text": "Dia niteny tamin\u2019 i Mosesy ny taranak\u2019 i Gada sy ny taranak\u2019 i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko: " }, { "verse": 26, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:26", "text": "ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman\u2019 osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 i Gileada; " }, { "verse": 27, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:27", "text": "fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan\u2019 i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko. " }, { "verse": 28, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:28", "text": "Ary Mosesy dia nandidy an\u2019 i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak\u2019 i Nona, ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny amin\u2019 ireo " }, { "verse": 29, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:29", "text": "ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an\u2019 i Jordana hiaraka aminareo ny taranak\u2019 i Gada sy ny taranak\u2019 i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan\u2019 i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny; " }, { "verse": 30, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:30", "text": "fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin\u2019 ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany. " }, { "verse": 31, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:31", "text": "Dia namaly ny taranak\u2019 i Gada sy ny taranak\u2019 i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny mpanomponao no hataonay: " }, { "verse": 32, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:32", "text": "Izabay handeha hita eo anatrehan\u2019 i Jehovah ho any amin\u2019 ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa et\u1ef3 an-dafin\u2019 i Jordana et\u1ef3 ihany no hahazoanay zara-tany. " }, { "verse": 33, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:33", "text": "Dia nomen\u2019 i Mosesy ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Gada sy ny taranak\u2019 i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen\u2019 i Manase, zanak\u2019 i Josefa, ny fanjakan\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorka, sy ny fanjakan\u2019 i Oga, mpanjakan\u2019 i Basana dia ny tany mbamin\u2019 ny tan\u00e0nany ao amin\u2019 ny fari-tany, dia ny tan\u00e0na eny amin\u2019 ny tany manodidina. " }, { "verse": 34, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:34", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Gada nanao an\u2019 i Dibona sy Atarota sy Aroera " }, { "verse": 35, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:35", "text": "sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha " }, { "verse": 36, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:36", "text": "sy Beti-nimra sy Beti-harana, tan\u00e0na mimanda, ary vala ho an\u2019 ny ondry. " }, { "verse": 37, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:37", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Robena nanao an\u2019 i Hesbona sy Elale sy Kiriataima " }, { "verse": 38, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:38", "text": "sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran\u2019 ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tan\u00e0na izay nataony. " }, { "verse": 39, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:39", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Makira, zanak\u2019 i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo. " }, { "verse": 40, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:40", "text": "Ary Gileada dia nomen\u2019 i Mosesy an\u2019 i Makira, zanak\u2019 i Manase, ka nonina tao izy. " }, { "verse": 41, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:41", "text": "Ary Ja\u00efra, zanak\u2019 i Manase, nandeha ka nahafaka ny tan\u00e0na madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-ja\u00efra. " }, { "verse": 42, "chapter": 32, "name": "Numbers 32:42", "text": "Ary Noba nandeha ka nahafaka an\u2019 i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy. " } ] }, { "chapter": 33, "name": "Numbers 33", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:1", "text": " Ary izao no nandehan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay nentin\u2019 i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta araka ny antokony. " }, { "verse": 2, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:2", "text": "Dia nosoratan\u2019 i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin\u2019 i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany: " }, { "verse": 3, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:3", "text": "Niala tao Ramesesa Izy tamin\u2019 ny volana voalohany, dia tamin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana voalohany; nony ampitson\u2019 ny Paska no nivoahan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny tanana avo teo imason\u2019 ny Egyptiana rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:4", "text": "Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin\u2019 i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:5", "text": "Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak\u2019 Isiraely, dia nitoby tao Sokota. " }, { "verse": 6, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:6", "text": "Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin\u2019 ny efitra. " }, { "verse": 7, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:7", "text": "Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin\u2019 i Balazefona, ka nitoby tandrifin\u2019 i Migdola. " }, { "verse": 8, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:8", "text": "Ary nony niala tandrifin\u2019 i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan\u2019 ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara. " }, { "verse": 9, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:9", "text": "Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin\u2019 ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:10", "text": "Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron\u2019 ny Ranomasina Mena. " }, { "verse": 11, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:11", "text": "Ary nony niala tao amoron\u2019 ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina. " }, { "verse": 12, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:12", "text": "Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka. " }, { "verse": 13, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:13", "text": "Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy. " }, { "verse": 14, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:14", "text": "Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin\u2019 ny olona. " }, { "verse": 15, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:15", "text": "Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr\u2019 i Sinay. " }, { "verse": 16, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:16", "text": "Ary nony niala tany an-efitr\u2019 i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava. " }, { "verse": 17, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:17", "text": "Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota. " }, { "verse": 18, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:18", "text": "Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma. " }, { "verse": 19, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:19", "text": "Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza. " }, { "verse": 20, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:20", "text": "Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna. " }, { "verse": 21, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:21", "text": "Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa. " }, { "verse": 22, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:22", "text": "Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata. " }, { "verse": 23, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:23", "text": "Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera. " }, { "verse": 24, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:24", "text": "Ary nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada. " }, { "verse": 25, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:25", "text": "Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota. " }, { "verse": 26, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:26", "text": "Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata. " }, { "verse": 27, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:27", "text": "Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera. " }, { "verse": 28, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:28", "text": "Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka. " }, { "verse": 29, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:29", "text": "Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona. " }, { "verse": 30, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:30", "text": "Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota. " }, { "verse": 31, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:31", "text": "Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana. " }, { "verse": 32, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:32", "text": "Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada. " }, { "verse": 33, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:33", "text": "Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata. " }, { "verse": 34, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:34", "text": "Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona. " }, { "verse": 35, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:35", "text": "Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera. " }, { "verse": 36, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:36", "text": "Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany). " }, { "verse": 37, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:37", "text": "Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin\u2019 ny tany Edoma. " }, { "verse": 38, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:38", "text": "Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin\u2019 i Jehovah, dia maty tao izy tamin\u2019 ny fahefa-polo taona taorian\u2019 ny nivoahan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana fahadimy. " }, { "verse": 39, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:39", "text": "Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy. " }, { "verse": 40, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:40", "text": "Ary ren\u2019 ilay Kananita, mpanjakan\u2019 i Arada, izay nonina teo amin\u2019 ny tany atsimo amin\u2019 ny tany Kanana, fa avy ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 41, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:41", "text": "Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona. " }, { "verse": 42, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:42", "text": "Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona. " }, { "verse": 43, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:43", "text": "Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota. " }, { "verse": 44, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:44", "text": "Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin\u2019 ny faritanin\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 45, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:45", "text": "Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada. " }, { "verse": 46, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:46", "text": "Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima. " }, { "verse": 47, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:47", "text": "Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin\u2019 ny tendrombohitra Abarima, tandrifin\u2019 i Nebo. " }, { "verse": 48, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:48", "text": "Ary nony niala tamin\u2019 ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 49, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:49", "text": "Ary nitoby teo amoron\u2019 i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba. " }, { "verse": 50, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:50", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko, ka nanao hoe: " }, { "verse": 51, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:51", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Rehefa tafita an\u2019 i Jordana ka tonga any amin\u2019 ny tany Kanana ianareo, " }, { "verse": 52, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:52", "text": "dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin\u2019 ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra; " }, { "verse": 53, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:53", "text": "dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo. " }, { "verse": 54, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:54", "text": "Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin\u2019 izay ivoahan\u2019 ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen\u2019 ny razanareo no hahazoanareo zara-tany. " }, { "verse": 55, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:55", "text": "Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin\u2019 ny tany, dia ho lay amin\u2019 ny masonareo sy ho tsilo amin\u2019 ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin\u2019 ny tany izay onenanareo izy; " }, { "verse": 56, "chapter": 33, "name": "Numbers 33:56", "text": "ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy. " } ] }, { "chapter": 34, "name": "Numbers 34", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:2", "text": "Mandidia ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Raha tonga any amin\u2019 ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny. " }, { "verse": 3, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:3", "text": "Ary ny lafiny atsimo amin\u2019 ny taninareo dia hatramin\u2019 ny efitra Zina, izay mifanolotra amin\u2019 i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny Ranomasin-tsira any atsinanana, " }, { "verse": 4, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:4", "text": "dia miolaka eo atsimon\u2019 ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon\u2019 i Kadesibarnea, dia mahazo an\u2019 i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona, " }, { "verse": 5, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:5", "text": "ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Egypta, ka dia mihatra amin\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 6, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:6", "text": "Ary ny amin\u2019 ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana. " }, { "verse": 7, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:7", "text": "Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin\u2019 ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo; " }, { "verse": 8, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:8", "text": "ary hatramin\u2019 ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an\u2019 i Zedada, " }, { "verse": 9, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:9", "text": "dia hahazo an\u2019 i Zifrona, ka dia hihatra an\u2019 i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra. " }, { "verse": 10, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:10", "text": "Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin\u2019 i Hazar-enana ka hatrany Sefama, " }, { "verse": 11, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:11", "text": "dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan\u2019 i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin\u2019 ny Ranomasin\u2019 i Kinereta atsinanana, " }, { "verse": 12, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:12", "text": "dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin\u2019 ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina. " }, { "verse": 13, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:13", "text": "Ary Mosesy nandidy ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian\u2019 i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany; " }, { "verse": 14, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:14", "text": "fa ny firenena taranak\u2019 i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak\u2019 i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny; " }, { "verse": 15, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:15", "text": "dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny at\u1ef3 an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana, hitsin\u2019 i Jeriko, tandrifin\u2019 ny fiposahan\u2019 ny masoandro. " }, { "verse": 16, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:16", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 17, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:17", "text": "Izao no anaran\u2019 ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak\u2019 i Nona. " }, { "verse": 18, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:18", "text": "Ary loholona iray avy amin\u2019 ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany. " }, { "verse": 19, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:19", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ireo lehilahy ireo: ny avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda dia Kaleba, zanak\u2019 i Jefone; " }, { "verse": 20, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:20", "text": "ary ny avy amin\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Simeona dia Semoela, zanak\u2019 i Amihoda; " }, { "verse": 21, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:21", "text": "ary ny avy amin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina dia Elidada, zanak\u2019 i Kislona; " }, { "verse": 22, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:22", "text": "ary ny lohan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Dana dia Boky, zanak\u2019 i Jogly; " }, { "verse": 23, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:23", "text": "ary ny avy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa: ny lohan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Manase dia Haniela, zanak\u2019 i Efoda; " }, { "verse": 24, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:24", "text": "ary ny lohan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Efraima dia Kemoela, zanak\u2019 i Siftana; " }, { "verse": 25, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:25", "text": "ary ny lohan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Zebolona dia Elizafana, zanak\u2019 i Parnaka; " }, { "verse": 26, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:26", "text": "ary ny lohan\u2019 ny firenena taranak\u2019 Isakara dia Paltiela, zanak\u2019 i Azana; " }, { "verse": 27, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:27", "text": "ary ny lohan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Asera dia Ahihoda, zanak\u2019 i Selomy; " }, { "verse": 28, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:28", "text": "ary ny lohan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Naftaly dia Pedahela, zanak\u2019 i Amihoda. " }, { "verse": 29, "chapter": 34, "name": "Numbers 34:29", "text": "Ireo no nodidian\u2019 i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " } ] }, { "chapter": 35, "name": "Numbers 35", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko, ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:2", "text": "Mandidia ny Zanak\u2019 Isiraely mba hanome tan\u00e0na ao amin\u2019 ny zara-taniny avy honenan\u2019 ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tan\u00e0na koa izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:3", "text": "Koa ny tan\u00e0na dia honenany; ary ny tany dia ho an\u2019 ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin\u2019 ny bibiny rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:4", "text": "Ary ny tany manodidina ny tan\u00e0na izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin\u2019 ny m\u00e0ndan\u2019 ny tan\u00e0na ka hatramin\u2019 ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin\u2019 ny lafiny efatra avy. " }, { "verse": 5, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:5", "text": "Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan\u2019 ny tan\u00e0na ianareo amin\u2019 ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin\u2019 ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin\u2019 ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin\u2019 ny lafiny avaratra, ary ny tan\u00e0na dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 6, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:6", "text": "Ary izao no tan\u00e0na izay homenareo ny Levita: dia tan\u00e0na enina, fandosirana, izay homenareo handosiran\u2019 izay nahafaty olona, sy tan\u00e0na roa amby efa-polo koa. " }, { "verse": 7, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:7", "text": "Koa ny tan\u00e0na rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin\u2019 ny tany manodidina azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:8", "text": "Ary ny amin\u2019 ny tan\u00e0na izay homenareo avy amin\u2019 ny zara-tanin\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tan\u00e0na ho an\u2019 ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy. " }, { "verse": 9, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:9", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 10, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:10", "text": "Mitenena amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Rehefa tafita an\u2019 i Jordana ianareo ka tonga any amin\u2019 ny tany Kanana, " }, { "verse": 11, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:11", "text": "dia hifidy tan\u00e0na ianareo, ho tan\u00e0na fandosirana ho anareo, mba handosiran\u2019 izay nahafaty olona tsy nahy. " }, { "verse": 12, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:12", "text": "Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon\u2019 ny mpamaly r\u00e0 izany tan\u00e0na izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan\u2019 ny fiangonana. " }, { "verse": 13, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:13", "text": "Ary ireo tan\u00e0na homenareo ireo dia ho tan\u00e0na fandosirana enina ho anareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:14", "text": "Ny tan\u00e0na telo dia homenareo et\u1ef3 an-dafin\u2019 i Jordana et\u1ef3, ary ny tan\u00e0na telo kosa homenareo ao amin\u2019 ny tany Kanana; ho tan\u00e0na fandosirana ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:15", "text": "Ireo tan\u00e0na enina ireo dia ho fandosirana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran\u2019 izay rehetra nahafaty olona tsy nahy. " }, { "verse": 16, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:16", "text": "Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona. " }, { "verse": 17, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:17", "text": "Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona. " }, { "verse": 18, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:18", "text": "Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona. " }, { "verse": 19, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:19", "text": "Ny mpamaly r\u00e0 no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:20", "text": "Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin\u2019 ny fanotrehana, ka mahafaty, " }, { "verse": 21, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:21", "text": "na mamely amin\u2019 ny t\u00e0nany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly r\u00e0 no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:22", "text": "Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin\u2019 inona na amin\u2019 inona, nefa tsy amin\u2019 ny fanotrehana, " }, { "verse": 23, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:23", "text": "na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy, " }, { "verse": 24, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:24", "text": "dia hotsarain\u2019 ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly r\u00e0 araka izany lal\u00e0na izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:25", "text": "Ary hovonjen\u2019 ny fiangonana ho afaka amin\u2019 ny mpamaly r\u00e0 ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin\u2019 ny tan\u00e0na fandosirana izay nalehany tamin\u2019 izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin\u2019 ny mpisoronabe izay voahosotra tamin\u2019 ny diloilo mas\u00ecna. " }, { "verse": 26, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:26", "text": "Fa raha mivoaka ho eo ivelan\u2019 ny tan\u00e0na fandosirana izay nalehany tamin\u2019 izy nandositra ilay nahafaty olona " }, { "verse": 27, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:27", "text": "ka hitan\u2019 ny mpamaly r\u00e0 eo ivelan\u2019 ny tan\u00e0na, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-dr\u00e0 amin\u2019 izany, " }, { "verse": 28, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:28", "text": "satria tokony ho nitoetra tao an-tan\u00e0na fandosirana izy mandra-pahafatin\u2019 ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin\u2019 ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona. " }, { "verse": 29, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:29", "text": "Ary izany zavatra izany dia ho lal\u00e0na hitondrana anareo hatramin\u2019 ny taranakareo fara mandimby eny amin\u2019 izay rehetra onenanareo. " }, { "verse": 30, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:30", "text": "Ny amin\u2019 izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin\u2019 ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany. " }, { "verse": 31, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:31", "text": "Ary ianareo tsy handray avotry ny ain\u2019 ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:32", "text": "Ary ianareo tsy handray avotra ho an\u2019 izay mandositra ho ao an-tan\u00e0na fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin\u2019 ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona. " }, { "verse": 33, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:33", "text": "Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny r\u00e0 dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin\u2019 ny r\u00e0 izay nalatsaka teo, afa-tsy amin\u2019 ny ran\u2019 izay nandatsaka azy ihany. " }, { "verse": 34, "chapter": 35, "name": "Numbers 35:34", "text": "Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " } ] }, { "chapter": 36, "name": "Numbers 36", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:1", "text": " Dia nanatona ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Gileada, zanak\u2019 i Makira, zanak\u2019 i Manase, avy tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa, ka niteny teo anatrehan\u2019 i Mosesy sy ny lehibe, lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:2", "text": "Hianao, tompokolahy, efa nodidian\u2019 i Jehovah hizara ny tany amin\u2019 ny filokana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian\u2019 i Jehovah hanome ny zara-tanin\u2019 i Zelofada rahalahinay ho an\u2019 ny zananivavy. " }, { "verse": 3, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:3", "text": "Koa raha manambady ny zanakalahin\u2019 ny firenena sasany amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ireo, dia hesorina amin\u2019 ny an\u2019 ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin\u2019 ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin\u2019 ny zara-taninay izay azonay tamin\u2019 ny filokana izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:4", "text": "Ary raha tonga ny Jobilin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an\u2019 ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin\u2019 ny zara-tanin\u2019 ny razanay. " }, { "verse": 5, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:5", "text": "Ary Mosesy nandidy ny Zanak\u2019 Isiraely araka ny tenin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Josefa. " }, { "verse": 6, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:6", "text": "Izao no teny izay andidian\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin\u2019 ny fokon\u2019 ny firenen\u2019 ny razany ihany no hovadiny. " }, { "verse": 7, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:7", "text": "Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely; fa samy ho eo amin\u2019 ny zara-tanin\u2019 ny razany avy no hipetrahan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:8", "text": "Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin\u2019 ny fokon\u2019 ny firenen\u2019 ny razany ihany, mba hananan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra ny zara-tanin\u2019 ny razany avy. " }, { "verse": 9, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:9", "text": "Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin\u2019 ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin\u2019 ny azy avy no hipetrahan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 10, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:10", "text": "Araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy no nataon\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Zelofada, " }, { "verse": 11, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:11", "text": "ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin\u2019 i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin\u2019 ny rainy avy. " }, { "verse": 12, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:12", "text": "Izay avy tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Manase, zanak\u2019 i Josefa, no novadin\u2019 ireo, ka dia nitoetra teo amin\u2019 ny firenen\u2019 ny mpianakavin\u2019 ny rainy ihany ny zara-taniny. " }, { "verse": 13, "chapter": 36, "name": "Numbers 36:13", "text": "Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian\u2019 i Jehovah ka nampitondrainy an\u2019 i Mosesy ho amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko. " } ] } ] }, { "name": "Deuteronomy", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:1", "text": " Izao no teny izay nolazain\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny Isiraely rehetra tany an-dafin\u2019 i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin\u2019 ny tani-hay tandrifin\u2019 i Sofa, tanelanelan\u2019 i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:2", "text": "(lalana Iraika ambin\u2019 ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Se\u00efra no aleha.) " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:3", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana fahiraika ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny taona fahefa-polo dia niteny tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah azy holazainy aminy, " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:4", "text": "rehefa namono an\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:5", "text": "Tany an-dafin\u2019 i Jordana, dia tany amin\u2019 ny tany Moaba, no nanombohan\u2019 i Mosesy nanazava izao lal\u00e0na izao hoe: " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:6", "text": "Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin\u2019 ny tendrombohitra ity; " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:7", "text": "mihod\u00ecna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 ny Amorita sy any amin\u2019 izay rehetra ao akaikiny, dia any amin\u2019 ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron\u2019 ny ranomasina, dia any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin\u2019 ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:8", "text": "Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:9", "text": "Ary niteny taminareo tamin\u2019 izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo; " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:10", "text": "Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra ianareo izao. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:11", "text": "(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!) " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:12", "text": "Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo? " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:13", "text": "Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin\u2019 ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:14", "text": "Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:15", "text": "Ary nalaiko ny lohan\u2019 ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin\u2019 ny firenenareo. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:16", "text": "Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin\u2019 izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin\u2019 ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:17", "text": "Aza mizaha tavan\u2019 olona amin\u2019 ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an\u2019 Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento et\u1ef3 amiko ka hohenoiko. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:18", "text": "Dia nandidy anareo tamin\u2019 izany andro izany aho ny amin\u2019 ny zavatra rehetra izay hataonareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:19", "text": "Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 ny Amorita, araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:20", "text": "Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin\u2019 ny tany havoan\u2019 ny Amonita, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitsika ho antsika; " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:21", "text": "indro, efa natolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:22", "text": "Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tan\u00e0na izay hiakarantsika. " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:23", "text": "Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin\u2019 ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena; " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:24", "text": "ary niainga ireo ka niakatra tany amin\u2019 ny tany havoana, dia tonga tao amin\u2019 ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany; " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:25", "text": "dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitsika ho antsika. " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:26", "text": "Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nand\u00e0 ny tenin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:27", "text": "Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan\u2019 i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Amorita handringanana antsika. " }, { "verse": 28, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:28", "text": "Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin\u2019 ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tan\u00e0na dia lehibe sady misy m\u00e0nda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita. " }, { "verse": 29, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:29", "text": "Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy; " }, { "verse": 30, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:30", "text": "Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo, " }, { "verse": 31, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:31", "text": "ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran\u2019 ny olona ny zanany, dia teny amin\u2019 ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin\u2019 ity tany ity. " }, { "verse": 32, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:32", "text": "Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo, " }, { "verse": 33, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:33", "text": "Izay nandeha tamin\u2019 ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo. " }, { "verse": 34, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:34", "text": "Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe: " }, { "verse": 35, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:35", "text": "Tsy hisy olona mihitsy amin\u2019 izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo, " }, { "verse": 36, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:36", "text": "afa-tsy Kaleba, zanak\u2019 i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 37, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:37", "text": "Ary izaho koa dia notezeran\u2019 i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any; " }, { "verse": 38, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:38", "text": "fa Josoa, zanak\u2019 i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak\u2019 Isiraely ny tany. " }, { "verse": 39, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:39", "text": "Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin\u2019 izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy. " }, { "verse": 40, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:40", "text": "Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny Ranomasina Mena. " }, { "verse": 41, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:41", "text": "Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin\u2019 i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin\u2019 ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra. " }, { "verse": 42, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:42", "text": "Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan\u2019 ny fahavalonareo ianareo. " }, { "verse": 43, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:43", "text": "Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nand\u00e0 ny tenin\u2019 i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany. " }, { "verse": 44, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:44", "text": "Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin\u2019 izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Se\u00efra ka hatrany Horma. " }, { "verse": 45, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:45", "text": "Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan\u2019 i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo. " }, { "verse": 46, "chapter": 1, "name": "Deuteronomy 1:46", "text": "Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:1", "text": "Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Se\u00efra ela ihany isika. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:2", "text": "Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:3", "text": "Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:4", "text": "Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Esao rahalahinareo, izay monina any Se\u00efra; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo, " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:5", "text": "ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan\u2019 i Esao ny tendrombohitra Se\u00efra. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:6", "text": "Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:7", "text": "Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin\u2019 izay rehetra nataon\u2019 ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:8", "text": "Ary raha nandalo ny taranak\u2019 i Esao rahalahintsika izay monina any Se\u00efra isika ary niala tamin\u2019 ny lalana amin\u2019 ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny efitr\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:9", "text": "Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Lota. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:10", "text": "(Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:11", "text": "Ireo koa no natao ho Refa\u00efta tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:12", "text": "Ary ny tany Se\u00efra dia nonenan\u2019 ny Horita, fa ny taranak\u2019 i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon\u2019 ny Isiraely tao amin\u2019 ny tany izay nomen\u2019 i Jehovah azy ho lovany.) " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:13", "text": "Ary miaing\u00e0 ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:14", "text": "Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin\u2019 ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran\u2019 ny mpanafika rehetra tamin\u2019 izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin\u2019 ny toby, araka izay efa nianianan\u2019 i Jehovah taminy. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:15", "text": "Ary koa, ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin\u2019 ny toby. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:16", "text": "Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa, " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:17", "text": "dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:18", "text": "Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara, " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:19", "text": "dia ho tonga ao akaikin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, satria nomeko ho lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Lota izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:20", "text": "(Izany koa no natao ho tanin\u2019 ny Refa\u00efta; fa ny Refa\u00efta no nitoetra tao tany aloha ka nataon\u2019 ny Amonita hoe Zamzomita. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:21", "text": "Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy, " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:22", "text": "araka izay nataony koa ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Esao, izay mitoetra any Se\u00efra, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany; " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:23", "text": "ary ny amin\u2019 ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan\u2019 ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy). " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:24", "text": "Mitsang\u00e0na, miaing\u00e0, ka mit\u00e0 ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan\u2019 i Hesbona, mbamin\u2019 ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:25", "text": "Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin\u2019 ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:26", "text": "Dia naniraka olona avy tany an-efitr\u2019 i Kedemota aho hankany amin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe: " }, { "verse": 27, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:27", "text": "Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia; " }, { "verse": 28, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:28", "text": "vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho " }, { "verse": 29, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:29", "text": "(araka izay nataon\u2019 ny taranak\u2019 i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an\u2019 i Jordana ho any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitray anay. " }, { "verse": 30, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:30", "text": "Fa Sihona, mpanjakan\u2019 i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 31, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:31", "text": "Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an\u2019 i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny. " }, { "verse": 32, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:32", "text": "Dia nivoaka Sihona mbamin\u2019 ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza. " }, { "verse": 33, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:33", "text": "Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika. " }, { "verse": 34, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:34", "text": "Ary nahafaka ny tan\u00e0nany rehetra tamin\u2019 izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin\u2019 ny isan-tan\u00e0na mbamin\u2019 ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza. " }, { "verse": 35, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:35", "text": "Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin\u2019 ny tan\u00e0na izay afatsika ihany no nataontsika ho babo. " }, { "verse": 36, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:36", "text": "Hatrany Aroera, izay eo amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin\u2019 ny tan\u00e0na izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tan\u00e0na tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika. " }, { "verse": 37, "chapter": 2, "name": "Deuteronomy 2:37", "text": "Kanefa ny tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tan\u00e0na ao amin\u2019 ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran\u2019 i Jehovah Andriamanitsika antsika. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:1", "text": "Dia niverina isika ka niakatra tamin\u2019 ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, mbamin\u2019 ny vahoakany rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:2", "text": "Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin\u2019 ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay nonina tao Hesbona. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:3", "text": "Dia natolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:4", "text": "Dia afatsika ny tan\u00e0nany rehetra tamin\u2019 izany andro izany, tsy nisy tan\u00e0na izay tsy nalaintsika taminy, dia tan\u00e0na enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan\u2019 i Oga tany Basana. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:5", "text": "Ireo tan\u00e0na rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:6", "text": "Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin\u2019 ny isan-tan\u00e0na mbamin\u2019 ny zaza amim-behivavy. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:7", "text": "Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin\u2019 ireo tan\u00e0na ireo dia nataontsika babo ho antsika. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:8", "text": "Ary nalaintsika tamin\u2019 izany andro izany tamin\u2019 ny mpanjaka roan\u2019 ny Amorita ny tany izay any an-dafin\u2019 i Jordana, hatramin\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin\u2019 ny tendrombohitra Hermona " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:9", "text": "Hermona nataon\u2019 ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira, " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:10", "text": "dia ny tan\u00e0na rehetra amin\u2019 ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tan\u00e0na amin\u2019 ny fanjakan\u2019 i Oga tany Basana. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:11", "text": "Fa Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, ihany no sisa velona tamin\u2019 ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban\u2019 ny taranak\u2019 i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon\u2019 ny lehilahy. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:12", "text": "Ary io tany io dia azontsika tamin\u2019 izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan\u2019 i Gileada ary ny tan\u00e0na eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:13", "text": "ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan\u2019 i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin\u2019 ny Refa\u00efta izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:14", "text": "Ja\u00efra, zanak\u2019 i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran\u2019 izany (dia Basana) nataony hoe Havota-ja\u00efra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany). " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:15", "text": "Ary Gileada dia nomeko an\u2019 i Makira. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:16", "text": "Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin\u2019 ny amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:17", "text": "ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin\u2019 ny ranomasina amin\u2019 ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin\u2019 i Pisga, dia ao atsinanany. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:18", "text": "Ary nandidy anareo tamin\u2019 izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:19", "text": "Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tan\u00e0nanareo izay nomeko anareo, " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:20", "text": "mandra-panomen\u2019 i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin\u2019 i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin\u2019 ny taniny avy, izay nomeko anareo. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:21", "text": " Dia nandidy an\u2019 i Josoa aho tamin\u2019 izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo tamin\u2019 ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fanjakana rehetra izay halehanao. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:22", "text": "Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:23", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 izany andro izany aho ka nanao hoe: " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:24", "text": "Jehovah Tompo \u00f4, Hianao vao naneho tamin\u2019 ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na at\u1ef3 an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao? " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:25", "text": "Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin\u2019 i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona. " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:26", "text": "Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin\u2019 izany zavatra izany ianao. " }, { "verse": 27, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:27", "text": "Miakara eo an-tampon\u2019 i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao; " }, { "verse": 28, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:28", "text": "fa mandidia an\u2019 i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan\u2019 ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao. " }, { "verse": 29, "chapter": 3, "name": "Deuteronomy 3:29", "text": "Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin\u2019 i Beti-peora isika. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:1", "text": " Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:2", "text": "Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:3", "text": "Ny masonareo efa nahita izay nataon\u2019 i Jehovah noho ny tamin\u2019 i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an\u2019 i Bala-peora dia naringan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:4", "text": "Fa ianareo izay nifikitra tamin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:5", "text": "Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin\u2019 ny tany izay efa hidiranareo holovana. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:6", "text": "Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason\u2019 ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lal\u00e0na rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:7", "text": "Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an\u2019 i Jehovah Andriamanitra amin\u2019 izay rehetra iantsoantsika Azy? " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:8", "text": "Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lal\u00e0na rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio? " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:9", "text": "Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan\u2019 ny masonao, ary andrao miala amin\u2019 ny fonao izany, amin\u2019 ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany, " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:10", "text": "dia izay hitanao tamin\u2019 ny andro izay nitsangananao teo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony et\u1ef3 amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin\u2019 ny andro rehetra hiainany ambonin\u2019 ny tany sady hampianariny ny zanany koa. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:11", "text": "Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin\u2019 ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:12", "text": "Dia niteny taminareo teo amin\u2019 ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:13", "text": "Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin\u2019 ny vato fisaka roa ireo. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:14", "text": "Ary izaho nodidian\u2019 i Jehovah tamin\u2019 izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin\u2019 ny tany izay efa hidiranareo holovana. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:15", "text": "Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin\u2019 ny andro izay nitenenan\u2019 i Jehovah taminareo tao amin\u2019 ny afo tany Horeba; " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:16", "text": "fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy, " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:17", "text": "na sarim-biby izay et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin\u2019 ny habakabaka, " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:18", "text": "na sarim-biby mandady na mikisaka amin\u2019 ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin\u2019 ny rano ambanin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:19", "text": "Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran\u2019 ny firenena rehetra ambanin\u2019 ny lanitra. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:20", "text": "Fa ianareo no nalain\u2019 i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin\u2019 ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:21", "text": "Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an\u2019 i Jordana aho, na hiditra any amin\u2019 ny tany soa izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:22", "text": "Fa izaho ho faty amin\u2019 ity tany ity, fa tsy hita an\u2019 i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:23", "text": "Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:24", "text": "Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:25", "text": "Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin\u2019 ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy, " }, { "verse": 26, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:26", "text": "dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin\u2019 ny tany izay alehanareo hita an\u2019 i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa. " }, { "verse": 27, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:27", "text": "Ary Jehovah hampiely anareo any amin\u2019 ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin\u2019 ny firenen-tsamy hafa izay hitondran\u2019 i Jehovah anareo. " }, { "verse": 28, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:28", "text": "Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo. " }, { "verse": 29, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:29", "text": "Kanefa any ianao no hitady an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin\u2019 ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra. " }, { "verse": 30, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:30", "text": "Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony; " }, { "verse": 31, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:31", "text": "fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin\u2019 ny razanao, izay efa nianianany taminy. " }, { "verse": 32, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:32", "text": "Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin\u2019 ny andro izay namoronan\u2019 Andriamanitra olombelona tet\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany ary hatramin\u2019 ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany. " }, { "verse": 33, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:33", "text": "Moa efa nisy firenena nandre ny feon\u2019 Andriamanitra niteny tao amin\u2019 ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany? " }, { "verse": 34, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:34", "text": "Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin\u2019 ny firenena hafa va Andriamanitra amin\u2019 ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao? " }, { "verse": 35, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:35", "text": "Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. " }, { "verse": 36, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:36", "text": "Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin\u2019 ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan\u2019 ny afo. " }, { "verse": 37, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:37", "text": "Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin\u2019 ny heriny lehibe, " }, { "verse": 38, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:38", "text": "handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 39, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:39", "text": "Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin\u2019 ny lanitra ambony sy et\u1ef3 amin\u2019 ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy. " }, { "verse": 40, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:40", "text": "Dia tandremo ny lal\u00e0ny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin\u2019 ny tany, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay. " }, { "verse": 41, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:41", "text": " Ary tamin\u2019 izay Mosesy dia nanokana tan\u00e0na telo any an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana, " }, { "verse": 42, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:42", "text": "mba handosiran\u2019 izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo tan\u00e0na ireo: " }, { "verse": 43, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:43", "text": "dia Bazera any an-efitra, amin\u2019 ny tany lemaka, an\u2019 ny Robenita; ary Ramota-gileada an\u2019 ny Gadita; ary Golana any Basana an\u2019 ny Manasita. " }, { "verse": 44, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:44", "text": " Ary izao no lal\u00e0na izay nalahatr\u2019 i Mosesy teo anatrehan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 45, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:45", "text": "Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy, " }, { "verse": 46, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:46", "text": "tany an-dafin\u2019 i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin\u2019 i Beti-peora, tao amin\u2019 ny tanin\u2019 i Sihona, ilay mpanjakan\u2019 ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen\u2019 i Mosesy sy ny Zanak\u2019 Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy, " }, { "verse": 47, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:47", "text": "ka dia azony ny tanin\u2019 i Sihona sy ny tanin\u2019 i Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin\u2019 ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana, " }, { "verse": 48, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:48", "text": "hatrany Aroera, izay ao amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin\u2019 ny tendrombohitra Siona (Hermona izany), " }, { "verse": 49, "chapter": 4, "name": "Deuteronomy 4:49", "text": "dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana ka hatramin\u2019 ny ranomasina amin\u2019 ny tani-hay eo am-bodin\u2019 i Pisga. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:1", "text": " Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely \u00f4, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankat\u00f2 azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:2", "text": "Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba; " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:3", "text": "tsy tamin\u2019 ny razantsika no nanaovan\u2019 i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:4", "text": "Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:5", "text": "Izaho nitsangana teo anelanelan\u2019 i Jehovah sy ianareo tamin\u2019 izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin\u2019 i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin\u2019 ny tendrombohitra, ka hoy Izy: " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:6", "text": "Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, tamin\u2019 ny trano nahandevozana. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:7", "text": "Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:8", "text": "Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin\u2019 ny lanitra ambony, na izay et\u1ef3 amin\u2019 ny tany ambany, na izay any amin\u2019 ny rano ambanin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:9", "text": "Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin\u2019 ny zanaka hatramin\u2019 ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin\u2019 izay mankahala Ahy, " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:10", "text": "nefa kosa mamindra fo amin\u2019 ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:11", "text": "Aza manonona foana ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon\u2019 i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:12", "text": "Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:13", "text": "Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:14", "text": "Fa Sabatan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin\u2019 izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan\u2019 ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa. " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:15", "text": "Ary tsarovy fa andevo tany amin\u2019 ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:16", "text": "Manaj\u00e0 ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho anao. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:17", "text": "Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:18", "text": "Ary aza mitsiriritra ny vadin\u2019 ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon\u2019 ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an\u2019 ny namanao akory aza. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:19", "text": "Ireo teny ireo no nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny feo mahery tao amin\u2019 ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin\u2019 ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:20", "text": "Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin\u2019 ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo, " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:21", "text": "ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain\u2019 i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin\u2019 ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin\u2019 ny olona, nefa velona ihany izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:22", "text": "Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:23", "text": "Fa iza moa tamin\u2019 ny nofo rehetra no efa nandre ny feon\u2019 Andriamanitra velona niteny tao afovoan\u2019 ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany? " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:24", "text": "Manat\u00f2na ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain\u2019 i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain\u2019 i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:25", "text": "Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin\u2019 ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:26", "text": "Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:27", "text": "Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo. " }, { "verse": 28, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:28", "text": "Fa ianao kosa dia mijan\u00f2na eto anilako, ka holazaiko aminao ny lal\u00e0na rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin\u2019 ny tany izay omeko azy ho lovany. " }, { "verse": 29, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:29", "text": "Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia; " }, { "verse": 30, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:30", "text": "fa ny lalana rehetra izay nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin\u2019 ny tany izay holovanareo. " }, { "verse": 31, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:31", "text": "" }, { "verse": 32, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:32", "text": "" }, { "verse": 33, "chapter": 5, "name": "Deuteronomy 5:33", "text": "" } ] }, { "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:1", "text": " Ary izao no lal\u00e0na, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin\u2019 ny tany izay alehanareo holovana, " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:2", "text": "mba hatahoranao an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lal\u00e0ny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin\u2019 ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:3", "text": "Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin\u2019 ny tany tondra-dronono sy tantely. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:4", "text": "Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:5", "text": "Ary tiava an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:6", "text": "Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:7", "text": "Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:8", "text": "ary fehezo ho famantarana eo amin\u2019 ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin\u2019 ny handrinao, " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:9", "text": "ary soraty eo amin\u2019 ny tolam-baravaran\u2019 ny tranonao sy eo amin\u2019 ny vavahadinao. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:10", "text": "Ary rehefa entin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin\u2019 ny tany izay nianianany tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tan\u00e0na lehibe sady tsara, izay tsy nataonao, " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:11", "text": "sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin\u2019 ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky, " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:12", "text": "dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, tamin\u2019 ny trano nahandevozana. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:13", "text": "Matahora an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:14", "text": "Aza manaraka izay andriamani-kafa amin\u2019 ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:15", "text": "fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin\u2019 ny tany ianao. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:16", "text": "Aza maka fanahy an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:17", "text": "Tandremo tsara ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lal\u00e0ny, izay efa nandidiany anao. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:18", "text": "Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason\u2019 i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razanao homena azy, " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:19", "text": "ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:20", "text": "Ary raha manontany anao ny zanakao amin\u2019 ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitsika anareo? " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:21", "text": "Dia holazainao aminy hoe: Andevon\u2019 i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran\u2019 i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:22", "text": "Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin\u2019 ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:23", "text": "Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin\u2019 ny razantsika homena azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:24", "text": "Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an\u2019 i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "Deuteronomy 6:25", "text": "Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:1", "text": " Rehefa entin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin\u2019 ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:2", "text": "ary rehefa voatolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy; " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:3", "text": "ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin\u2019 ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin\u2019 ny zanakao-lahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:4", "text": "Fa hampiala ny zanakao-lahy amin\u2019 ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:5", "text": "Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:6", "text": "Fa firenena mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:7", "text": "Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan\u2019 ny fitiavan\u2019 i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:8", "text": "fa ny nitiavan\u2019 i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin\u2019 ny razanareo no nitondran\u2019 i Jehovah anareo tamin\u2019 ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin\u2019 ny trano nahandevozana dia tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:9", "text": "Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin\u2019 izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin\u2019 ny taranaka arivo mandimby, " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:10", "text": "ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin\u2019 ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin\u2019 izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:11", "text": "Koa tandremo ny lal\u00e0na sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:12", "text": "Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin\u2019 ny razanao; " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:13", "text": "dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman\u2019 osinao any amin\u2019 ny tany izay nianianany tamin\u2019 ny razanao homena anao. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:14", "text": "Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:15", "text": "Ary harovan\u2019 i Jehovah tsy ho azon\u2019 aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin\u2019 i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin\u2019 izay rehetra mankahala anao kosa ireny. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:16", "text": "Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:17", "text": "Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy? " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:18", "text": "dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tamin\u2019 i Farao sy ny Egyptiana rehetra, " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:19", "text": "dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan\u2019 ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 ny firenena rehetra izay atahoranao. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:20", "text": "Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan\u2019 izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao. " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:21", "text": "Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:22", "text": "Ary horoahin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:23", "text": "Fa hatolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:24", "text": "Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony at\u1ef3 ambanin\u2019 ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:25", "text": "Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin\u2019 ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "Deuteronomy 7:26", "text": "Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:1", "text": " Ny lal\u00e0na rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razanareo homena azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:2", "text": "Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:3", "text": "Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman\u2019 ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan\u2019 i Jehovah no iveloman\u2019 ny olona. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:4", "text": "Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:5", "text": "Koa aoka ho fantatrao amin\u2019 ny fonao, fa tahaka ny fananaran\u2019 ny olona ny zanany no fananaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:6", "text": "Ary tandremo ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin\u2019 ny lalany sy hatahoranao Azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:7", "text": "Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin\u2019 ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin\u2019 ny lohasaha sy ny tendrombohitra, " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:8", "text": "tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely, " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:9", "text": "tany izay hihinananao hanina amin\u2019 ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin\u2019 ny tendrombohiny no hihadianao varahina. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:10", "text": "Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao, " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:11", "text": "dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lal\u00e0ny, izay andidiako anao anio; " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:12", "text": "fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao, " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:13", "text": "ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman\u2019 osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra, " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:14", "text": "dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, tamin\u2019 ny trano nahandevozana, " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:15", "text": "Izay nitondra anao tany amin\u2019 ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran\u2019 afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin\u2019 ny vatolampy afovato, " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:16", "text": "Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany; " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:17", "text": "ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin\u2019 ny tanako no nahavoriako izao harena izao; " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:18", "text": "fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin\u2019 ny razanao, tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:19", "text": "Fa raha manadino an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo: " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Deuteronomy 8:20", "text": "tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan\u2019 i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:1", "text": " Mihainoa, ry Isiraely \u00f4: ianao izao dia efa hita an\u2019 i Jordana hiditra eo amin\u2019 ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tan\u00e0na lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra, " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:2", "text": "dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan\u2019 ny taranak\u2019 i An\u00e0ka? " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:3", "text": "Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah taminao. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:4", "text": "Ary rehefa voaroak\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran\u2019 i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin\u2019 ireo firenena ireo no androahan\u2019 i Jehovah azy eo anoloanao. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:5", "text": "Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin\u2019 ireo firenena ireo no androahan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahat\u00f2 ny teny izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:6", "text": "Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:7", "text": "Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin\u2019 ny andro nialanao tany amin\u2019 ny tany Egypta ka hatramin\u2019 ny nahatongavanareo teto amin\u2019 ity tany ity dia mbola niodina tamin\u2019 i Jehovah ihany ianareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:8", "text": "Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an\u2019 i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:9", "text": "Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon\u2019 i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano, " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:10", "text": "dia nomen\u2019 i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron\u2019 Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain\u2019 i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin\u2019 ny andro nivoriana. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:11", "text": "Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen\u2019 i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:12", "text": "Dia hoy Jehovah tamiko: Miaing\u00e0, ka mid\u00ecna faingana hiala et\u1ef3 ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin\u2019 ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:13", "text": "Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:14", "text": "Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin\u2019 ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:15", "text": "Dia nihodina aho ka nidina niala tamin\u2019 ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:16", "text": "Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin\u2019 ny lalana izay efa nasain\u2019 i Jehovah nalehanareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:17", "text": "Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:18", "text": "Ary niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin\u2019 ny nanaovanareo izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:19", "text": "Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran\u2019 i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:20", "text": "Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin\u2019 i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an\u2019 i Arona koa aho tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:21", "text": "Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin\u2019 ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin\u2019 ny renirano izay mid\u00ecna avy amin\u2019 ny tendrombohitra. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:22", "text": "Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:23", "text": "Ary raha nampandehanin\u2019 i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nand\u00e0 ny tenin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:24", "text": "Eny, niodina tamin\u2019 i Jehovah ihany ianareo hatramin\u2019 ny andro nahalalako anareo no ho mankaty. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:25", "text": "Ary niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain\u2019 i Jehovah fa handringana anareo Izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:26", "text": "Dia nifona tamin\u2019 i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo \u00f4, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin\u2019 ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin\u2019 ny tananao mahery. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:27", "text": "Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran\u2019 ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany, " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:28", "text": "fandrao izay monina amin\u2019 ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain\u2019 i Jehovah ny hitondra azy ho any amin\u2019 ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy at\u1ef3 an-efitra. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "Deuteronomy 9:29", "text": "Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin\u2019 ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:1", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany no nilazan\u2019 Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho et\u1ef3 amiko et\u1ef3 an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao; " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:2", "text": "dia hosoratako amin\u2019 ny vato fisaka ilay teny teo amin\u2019 ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin\u2019 ny fiara ireny. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:3", "text": "Dia nanao fiara tamin\u2019 ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:4", "text": "Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain\u2019 i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin\u2019 ny afo tamin\u2019 ny andro nivoriana; dia nomen\u2019 i Jehovah ahy ireny. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:5", "text": "Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin\u2019 ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin\u2019 ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah ahy. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:6", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nandeha niala tamin\u2019 ny fantsakan\u2019 i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan\u2019 i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:7", "text": "Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:8", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany no nanokana an\u2019 i Jehovah ny firenen\u2019 i Levy hitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah sy hijanona eo anatrehan\u2019 i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin\u2019 ny anarany mandraka androany. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:9", "text": "Izany no tsy ananan\u2019 ny Levita anjara na lova eo amin\u2019 ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah Andriamanitrao taminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:10", "text": "Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin\u2019 izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:11", "text": "Dia hoy Jehovah tamiko: Miaing\u00e0, mandehana eo alohan\u2019 ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin\u2019 ny razany homena azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:12", "text": " Ary ankehitriny, ry Isiraely \u00f4, inona moa no ilain\u2019 i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin\u2019 ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:13", "text": "hitandrina ny didin\u2019 i Jehovah sy ny lal\u00e0ny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:14", "text": "Indro, an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin\u2019 izay rehetra eo aminy. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:15", "text": "Kanefa ny razanao no niraiketan\u2019 ny fitiavan\u2019 i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:16", "text": "Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:17", "text": "Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon\u2019 ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan\u2019 olona, na mandray kolikoly; " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:18", "text": "manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:19", "text": "Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin\u2019 ny tany Egypta ianareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:20", "text": "Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao. " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:21", "text": "Izy no fid\u00e8ranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan\u2019 ny masonao. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Deuteronomy 10:22", "text": "Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra ianao. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:1", "text": "Ary tiava an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lal\u00e0ny sy ny fitsipiny ary ny didiny. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:2", "text": "Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin\u2019 ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny t\u00e0nany mahery sy ny sandriny nahinjitra " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:3", "text": "sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, sy ny taniny rehetra, " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:4", "text": "sy izay nataony tamin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin\u2019 ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan\u2019 i Jehovah mandraka androany, " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:5", "text": "ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin\u2019 ny nahatongavanareo teto amin\u2019 ity tany ity, " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:6", "text": "ary izay nataony tamin\u2019 i Datana sy Ab\u00ecrama, zanak\u2019 i Eliaba, zanak\u2019 i Robena, teo amin\u2019 ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan\u2019 ny tany sy nitelemany azy mbamin\u2019 ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan\u2019 aina izay nomba azy; " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:7", "text": "fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:8", "text": "Koa tandremo ny lal\u00e0na rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana; " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:9", "text": "ary, mba ho maro andro ianareo amin\u2019 ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:10", "text": "Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman\u2019 ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen\u2019 anana. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:11", "text": "Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin\u2019 ny ranonoran-danitra, " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:12", "text": "dia tany izay tandreman\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; ny mason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin\u2019 ny fiandohan\u2019 ny taona ka hatramin\u2019 ny fiafarany. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:13", "text": "Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin\u2019 ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:14", "text": "dia halatsako eo amin\u2019 ny taninareo ny ranonorana amin\u2019 ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao; " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:15", "text": "ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an\u2019 ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:16", "text": "Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo; " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:17", "text": "ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin\u2019 ny tany soa izay omen\u2019 i Jehovah anareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:18", "text": "Koa alatsaho ao amin\u2019 ny fonareo sy ao amin\u2019 ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin\u2019 ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin\u2019 ny handrinareo; " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:19", "text": "ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha; " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:20", "text": "ary soraty eo amin\u2019 ny tolam-baravaran\u2019 ny tranonao sy eo amin\u2019 ny vavahadinao izy; " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:21", "text": "mba ho maro ny andronareo sy ny andron\u2019 ny taranakareo eo amin\u2019 ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razanareo homena azy, toy ny faharetan\u2019 ny lanitra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:22", "text": "Fa raha hitandrina tsara izao lal\u00e0na rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin\u2019 ny lalany rehetra sy hifikitra aminy, " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:23", "text": "dia horoahin\u2019 i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:24", "text": "Ny tany rehetra izay hodiavin\u2019 ny faladian\u2019 ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin\u2019 ny efitra sy Libanona ary hatramin\u2019 ny ony Eofrata ka hatramin\u2019 ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:25", "text": "Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ho azon\u2019 ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo. " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:26", "text": "Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:27", "text": "fitahiana, raha hohenoinareo ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio; " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:28", "text": "ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin\u2019 ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo. " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:29", "text": "Ary rehefa entin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin\u2019 ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala. " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:30", "text": "Tsy any an-dafin\u2019 i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Kananita, izay monina eo amin\u2019 ny tani-hay tandrifin\u2019 i Gilgaly, eo anilan\u2019 ny hazo terebintan\u2019 i More? " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:31", "text": "Fa ianareo efa handeha hita an\u2019 i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo; " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "Deuteronomy 11:32", "text": "koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:1", "text": " Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin\u2019 ny andro rehetra hiainanareo ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:2", "text": "Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan\u2019 ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin\u2019 ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin\u2019 ny hazo maitso rehetra. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:3", "text": "Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin\u2019 ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin\u2019 izany tany izany intsony ny anarany. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:4", "text": "Aza manao toy izany amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:5", "text": "Fa ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo amin\u2019 ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:6", "text": "Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-dr\u00e0 sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman\u2019 osinareo; " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:7", "text": "ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin\u2019 izay rehetra harin\u2019 ny tananareo, izay efa nitahian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:8", "text": "Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:9", "text": "Fa ianareo tsy mbola tonga any amin\u2019 ny fitsaharana sy ny lova izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:10", "text": "Fa rehefa tafita an\u2019 i Jordana ianareo ka monina any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan\u2019 ady amin\u2019 ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay, " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:11", "text": "dia eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-dr\u00e0 sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:12", "text": "Dia hifaly eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tan\u00e0nanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:13", "text": "Mitandrema mba tsy haterinao eny amin\u2019 izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao; " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:14", "text": "fa eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah ihany amin\u2019 ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:15", "text": "Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin\u2019 ny tan\u00e0nanao rehetra, araka ny fitahian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:16", "text": "Kanefa ny r\u00e0ny no aza hanina, fa aidino amin\u2019 ny tany toy ny rano. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:17", "text": "Tsy azonao hanina ao an-tan\u00e0nanao, na ny ampahafolon\u2019 ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman\u2019 osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:18", "text": "Fa eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tan\u00e0nanao; ary hifaly eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao amin\u2019 izay rehetra hanin\u2019 ny tananao. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:19", "text": "Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin\u2019 ny andro rehetra hiainanao amin\u2019 ny taninao. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:20", "text": "Raha hitarin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin\u2019 ny fanahinao ianao. " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:21", "text": "Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman\u2019 osinao izay nomen\u2019 i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tan\u00e0nanao, araka izay rehetra irin\u2019 ny fanahinao izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:22", "text": "Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:23", "text": "Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny r\u00e0, fa ny r\u00e0 no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin\u2019 ny hena ianao. " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:24", "text": "Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin\u2019 ny tany toy ny rano izy; " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:25", "text": "eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah ianao. " }, { "verse": 26, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:26", "text": "Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 27, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:27", "text": "Ary atero eo amin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny r\u00e0ny; ary ny ran\u2019 ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany. " }, { "verse": 28, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:28", "text": "Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao. " }, { "verse": 29, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:29", "text": "Rehefa aringan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin\u2019 ny taniny, " }, { "verse": 30, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:30", "text": "dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin\u2019 ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan\u2019 ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. " }, { "verse": 31, "chapter": 12, "name": "Deuteronomy 12:31", "text": "Aza manao toy izany amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan\u2019 i Jehovah, no nataony tamin\u2019 ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin\u2019 ny afo ho an\u2019 ny andriamaniny. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:1", "text": "Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:2", "text": " Raha tah\u00ecny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:3", "text": "sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:4", "text": "dia aza mihaino ny tenin\u2019 izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin\u2019 ny fitiavana an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo amin\u2019 ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:5", "text": "Manaraha an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:6", "text": "Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin\u2019 ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin\u2019 ny lalana izay nasain\u2019 i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:7", "text": "Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:8", "text": "dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny tany rehetra, " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:9", "text": "dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran\u2019 ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao; " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:10", "text": "fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan\u2019 ny vahoaka rehetra. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:11", "text": "Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, tamin\u2019 ny trano nahandevozana. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:12", "text": "Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:13", "text": "Raha mandre teny ianao ny amin\u2019 ny tan\u00e0nanao anankiray izay nomen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe: " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:14", "text": "Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tan\u00e0nany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo). " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:15", "text": "dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany, " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:16", "text": "dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin\u2019 izany tan\u00e0na izany, ka levony ny tan\u00e0na sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin\u2019 ny lelan-tsabatra. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:17", "text": "Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia ang\u00f2ny eo afovoan\u2019 ny kianja, ka doroy amin\u2019 ny afo avokoa ny tan\u00e0na sy ny entana rehetra ao ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tan\u00e0na haolo mandrakizay izany tan\u00e0na izany ka tsy haorina intsony. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:18", "text": "Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin\u2019 ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin\u2019 ny razanao, " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Deuteronomy 13:19", "text": "raha hohenoinao ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:1", "text": " Zanak\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin\u2019 ny handrinareo noho ny amin\u2019 ny maty. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:2", "text": "Fa firenena mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:3", "text": "Aza mihinana izay fahavetavetana. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:4", "text": "Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:5", "text": "sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra: " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:6", "text": "izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:7", "text": "Nefa amin\u2019 izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny r\u00e0 bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy; " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:8", "text": "ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:9", "text": "Ary amin\u2019 izay rehetra ao anatin\u2019 ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo; " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:10", "text": "fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:11", "text": "Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:12", "text": "Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:13", "text": "ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:14", "text": "ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy, " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:15", "text": "ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy, " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:16", "text": "ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:17", "text": "ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:18", "text": "ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:19", "text": "Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:20", "text": "Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:21", "text": "Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an\u2019 ny vahiny izay ao an-tan\u00e0nanao izany mba hohaniny, na amidio amin\u2019 ny olona hafa firenena; fa firenena mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak\u2019 osy amin\u2019 ny rononon-dreniny. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:22", "text": " Aloavy tsara ny ampahafolon\u2019 ny vokatra rehetra avy amin\u2019 ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona; " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:23", "text": "dia aoka ho eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo amin\u2019 ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon\u2019 ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman\u2019 osinao, mba hianaranao hatahotra an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:24", "text": "Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao, " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:25", "text": "dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:26", "text": "ary ny vola dia amidio izay rehetra tian\u2019 ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian\u2019 ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin\u2019 ny ankohonanao; " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:27", "text": "ary ny Levita izay ao an-tan\u00e0nanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:28", "text": "Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon\u2019 ny vokatrao rehetra amin\u2019 izany taona izany, ka ataovy ao an-tan\u00e0nanao; " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "Deuteronomy 14:29", "text": "ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tan\u00e0nanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao amin\u2019 ny asan-tananao rehetra izay ataonao. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:1", "text": " Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:2", "text": "Ary izao no ho fomban\u2019 ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampan\u00e0na vola tamin\u2019 ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:3", "text": "Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin\u2019 ny rahalahinao kosa dia hafoinao; " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:4", "text": "kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:5", "text": "raha mihaino tsara ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lal\u00e0na rehetra izao, izay andidiako anao anio. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:6", "text": "Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:7", "text": "Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tan\u00e0nanao anankiray amin\u2019 ny taninao izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin\u2019 ny rahalahinao malahelo; " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:8", "text": "fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:9", "text": "Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin\u2019 i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:10", "text": "Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao amin\u2019 ny asanao rehetra sy amin\u2019 izay rehetra ataon\u2019 ny tananao. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:11", "text": "Fa ny tany tsy ilaozan\u2019 olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin\u2019 ny rahalahinao ny tananao, dia amin\u2019 ny malahelo sy ny mahantra eo amin\u2019 ny taninao. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:12", "text": "Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin\u2019 ny taona fahafito. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:13", "text": "Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny; " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:14", "text": "fa hisy hampitondrainao azy avy amin\u2019 ny ondry aman\u2019 osinao ary avy amin\u2019 ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:15", "text": "Ary tsarovy fa andevo tany amin\u2019 ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:16", "text": "Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy, " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:17", "text": "dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin\u2019 ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin\u2019 ny ankizivavinao. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:18", "text": "Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman\u2019 ny mpikarama no azonao tamin\u2019 ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 izay rehetra ataonao. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:19", "text": " Ny lahy rehetra amin\u2019 ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman\u2019 osinao dia hohamasininao ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman\u2019 osinao. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:20", "text": "Eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin\u2019 ny fitoerana izay hofidin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:21", "text": "Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ireny. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:22", "text": "Ao an-tan\u00e0nanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "Deuteronomy 15:23", "text": "Kanefa ny r\u00e0ny no aza hanina, fa aidino amin\u2019 ny tany toy ny rano. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:1", "text": " Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao fa tamin\u2019 ny volana Abiba no nitondran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin\u2019 ny alina. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:2", "text": "Ary vonoy ny Paskan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman\u2019 osy sy omby, eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah hampitoerany ny anarany. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:3", "text": "Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin\u2019 ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:4", "text": "Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin\u2019 ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan\u2019 ny fanatitra izay novonoinao tamin\u2019 ny harivan\u2019 ny andro voalohany. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:5", "text": "Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tan\u00e0nanao rehetra izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao; " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:6", "text": "fa eo amin\u2019 ny fitoerana izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:7", "text": "Ary atsatsiho amin\u2019 ny afo izy, ka hano eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin\u2019 ny lainao. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:8", "text": "Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin\u2019 izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:9", "text": "Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin\u2019 ny andro iandohan\u2019 ny fijinjam-bary no hanisanao azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:10", "text": "Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao; " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:11", "text": "ary mifalia eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tan\u00e0nanao mbamin\u2019 ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:12", "text": "Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:13", "text": "Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin\u2019 ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin\u2019 ny famoloanao sy ny famiazanao. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:14", "text": "Ary mifalia amin\u2019 ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin\u2019 ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tan\u00e0nanao. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:15", "text": "Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:16", "text": "Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, eo amin\u2019 ny tany izay hofidiny, dia amin\u2019 ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin\u2019 ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:17", "text": "fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:18", "text": " Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tan\u00e0nanao rehetra, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin\u2019 ny fitsarana marina ireo. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:19", "text": "Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan\u2019 olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason\u2019 ny hendry ary mamadika ny tenin\u2019 ny marina. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:20", "text": "Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:21", "text": "Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "Deuteronomy 16:22", "text": "Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izany. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:1", "text": "Aza vonoina hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:2", "text": "Raha misy hita ao aminao ao an-tan\u00e0nanao, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:3", "text": "ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin\u2019 ny masoandro, na amin\u2019 ny volana, na amin\u2019 ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy, " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:4", "text": "ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin\u2019 ny Isiraely izany fahavetavetana izany: " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:5", "text": "dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:6", "text": "Amin\u2019 ny tenin\u2019 ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin\u2019 ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:7", "text": "Ny tanan\u2019 ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan\u2019 ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:8", "text": "Raha misy teny sarotra loatra amin\u2019 ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin\u2019 ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tan\u00e0nanao, dia miaing\u00e0 ianao, ka miakara any amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:9", "text": "ary mankanesa amin\u2019 ireo Levita mpisorona sy amin\u2019 ny anankiray izay mpitsara amin\u2019 izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:10", "text": "Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:11", "text": "Araka ny lal\u00e0na izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin\u2019 ny teny izay hambarany aminao, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:12", "text": "Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin\u2019 ny Isiraely ny fanao ratsy. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:13", "text": "Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:14", "text": "Rehefa tonga any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy, " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:15", "text": "dia izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin\u2019 ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin\u2019 ny rahalahinao ianao. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:16", "text": "Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin\u2019 izany lalana izany intsony. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:17", "text": "Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:18", "text": "Ary rehefa mipetraka eo ambonin\u2019 ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin\u2019 ny boky izao lal\u00e0na izao ka hataony araka ilay tehirizin\u2019 ireo Levita mpisorona. " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:19", "text": "Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin\u2019 ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an\u2019 i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin\u2019 izao lal\u00e0na izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "Deuteronomy 17:20", "text": "mba tsy hiavonavonan\u2019 ny fony amin\u2019 ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin\u2019 ny lal\u00e0na, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia, mba ho maro andro amin\u2019 ny fanjakany eo amin\u2019 ny Isiraely; izy sy ny taranany. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:1", "text": " Ny Levita mpisorona, dia ny firenen\u2019 i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin\u2019 ny Isiraely; ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah sy ny anjaran\u2019 i Jehovah no ho fihinany. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:2", "text": "Fa tsy hanan-dova eo amin\u2019 ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:3", "text": "Ary izao no ho anjaran\u2019 ny mpisorona avy amin\u2019 ny olona, dia avy amin\u2019 izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an\u2019 ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny; " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:4", "text": "ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan\u2019 ny volon\u2019 ondrinao no homenao azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:5", "text": "Fa izy sy ny taranany no nofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tamin\u2019 ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:6", "text": "Ary raha misy Levita miala amin\u2019 ny tan\u00e0nanao anankiray, izay nivahiniany, amin\u2019 ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian\u2019 ny fony ho any amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:7", "text": "ka manao fanompoam-pivavahana amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:8", "text": "dia anjara mitovy amin\u2019 ny an\u2019 ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin\u2019 ny azony tamin-drainy. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:9", "text": " REHEFA tonga any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon\u2019 ireo firenena ireo. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:10", "text": "Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:11", "text": "na manao ho masim-bava, na mpanadina amin\u2019 ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin\u2019 ny maty. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:12", "text": "Fa fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:13", "text": "Aoka ho tanteraka amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:14", "text": "Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hanao izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:15", "text": "Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin\u2019 ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo; " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:16", "text": "araka izay rehetra nangatahinao tamin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin\u2019 ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:17", "text": "Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:18", "text": "Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin\u2019 ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:19", "text": "Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin\u2019 ny anarako, dia Izaho no hitsara azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:20", "text": "Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin\u2019 ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin\u2019 ny anaran\u2019 andriamani-kafa, dia hatao maty. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:21", "text": "Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "Deuteronomy 18:22", "text": "Raha miteny amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain\u2019 i Jehovah izany: tamin\u2019 ny fahasahisahiana no nilazan\u2019 ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:1", "text": " Rehefa aringan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon\u2019 ny tany omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tan\u00e0nany sy ao an-tranony, " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:2", "text": "dia manok\u00e0na tan\u00e0na telo ho anao eo afovoan\u2019 ny taninao, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao holovana. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:3", "text": "Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran\u2019 ny mahafaty olona rehetra ao. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:4", "text": "Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:5", "text": "toy ny olona izay miaraka amin\u2019 ny namany ho any an\u2019 ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny t\u00e0nany, dia mitsoaka amin\u2019 ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo tan\u00e0na ireo izy ka hovelomina; " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:6", "text": "fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly r\u00e0, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:7", "text": "Koa izany no andidiako anao hoe: Manok\u00e0na tan\u00e0na telo ho anao. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:8", "text": "Ary raha hitarin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin\u2019 ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:9", "text": "(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lal\u00e0na rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin\u2019 ny lalany), dia hampianao tan\u00e0na telo koa ireny telo ireny; " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:10", "text": "mba tsy hisy r\u00e0 marina alatsaka eo amin\u2019 ny taninao, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin\u2019 ny r\u00e0 ianao. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:11", "text": "Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo tan\u00e0na ireo, " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:12", "text": "ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0nany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpamaly r\u00e0, mba hovonoiny ho faty izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:13", "text": "Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin\u2019 ny Isiraely ny heloka ny amin\u2019 ny r\u00e0 marina, mba hahita soa ianao. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:14", "text": " Aza mamindra ny fari-tanin\u2019 ny namanao, izay efa vitan\u2019 ny razana teo amin\u2019 ny zara-taninao, izay azonao eo amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:15", "text": "Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin\u2019 izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin\u2019 ny tenin\u2019 ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:16", "text": "Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy, " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:17", "text": "dia hitsangana eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan\u2019 ny mpisorona sy ny mpitsara amin\u2019 izany andro izany; " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:18", "text": "ary raha hadinin\u2019 ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany, " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:19", "text": "dia araka izay nokasainy hatao amin\u2019 ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:20", "text": "Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Deuteronomy 19:21", "text": "Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon\u2019 ny aina, maso solon\u2019 ny maso, nify solon\u2019 ny nify, tanana solon\u2019 ny tanana, tongotra solon\u2019 ny tongotra. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:1", "text": " Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, no momba anao. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:2", "text": "Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin\u2019 ny olona hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:3", "text": "Mihainoa, ry Isiraely \u00f4, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy; " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:4", "text": "fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin\u2019 ny fahavalonareo mba hamonjy anareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:5", "text": "Dia hiteny amin\u2019 ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin\u2019 ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:6", "text": "Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin\u2019 ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:7", "text": "Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin\u2019 ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:8", "text": "Ary mbola hiteny amin\u2019 ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:9", "text": "Ary rehefa vitan\u2019 ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin\u2019 ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:10", "text": "Raha mby akaikin\u2019 izay tan\u00e0na hiadiana ianao, dia milaz\u00e0 fihavanana aminy. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:11", "text": "Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:12", "text": "Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:13", "text": "Ary rehefa atolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin\u2019 ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:14", "text": "Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tan\u00e0na, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin\u2019 ny fahavalonao, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:15", "text": "Toy izany no hataonao amin\u2019 ny tan\u00e0na rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tan\u00e0nan\u2019 ireto firenena ireto. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:16", "text": "Fa ny tan\u00e0nan\u2019 ireto firenena ireto kosa, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:17", "text": "Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:18", "text": "mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin\u2019 ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:19", "text": "Raha hataonao fahirano ela ny tan\u00e0na izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin\u2019 ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin\u2019 ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano? " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "Deuteronomy 20:20", "text": "Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tan\u00e0na izay miady aminao mandra-paharesiny. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:1", "text": " Raha tah\u00ecny misy maty novonoin\u2019 olona hita miampatra any an-tsaha amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy, " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:2", "text": "dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin\u2019 ny faty ka hatramin\u2019 izay tan\u00e0na manodidina azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:3", "text": "Ary ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0na izay akaikin\u2019 ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:4", "text": "Ary ilay ombivavy kely dia ho entin\u2019 ny loholona amin\u2019 izany tan\u00e0na izany mid\u00ecna any amin\u2019 izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:5", "text": "Ary ireo mpisorona, taranak\u2019 i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra; " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:6", "text": "ary ny loholona rehetra amin\u2019 izany tan\u00e0na akaikin\u2019 ny faty izany dia hanasa ny t\u00e0nany eo ambonin\u2019 ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony; " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:7", "text": "dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity r\u00e0 ity, sady tsy nahita izany ny masonay. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:8", "text": "Jehovah \u00f4, mamel\u00e0 ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny r\u00e0 marina! Dia ho afa-keloka ny amin\u2019 izany r\u00e0 izany izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:9", "text": "Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny r\u00e0 marina, raha hanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah ianao. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:10", "text": " Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao, " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:11", "text": "ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin\u2019 ny babo ka tianao hovadina, " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:12", "text": "dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy al\u00e0ny ny hohony, " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:13", "text": "ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin\u2019 ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:14", "text": "Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:15", "text": " Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak\u2019 ilay tsy tiany no lahimatoa: " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:16", "text": "amin\u2019 ny andro handidiany fananana ho an\u2019 ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany; " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:17", "text": "fa ny lahimatoa, zanak\u2019 ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin\u2019 izay rehetra ananany; fa voalohan\u2019 ainy izy, ka azy ny fizokiana. " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:18", "text": " Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon\u2019 ny rainy, na ny feon\u2019 ny reniny, ka tsy zakany anarina, " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:19", "text": "dia hosamborin\u2019 ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin\u2019 ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0nany, eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0na onenany, " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:20", "text": "dia hiteny amin\u2019 ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0nany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:21", "text": "Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tan\u00e0nany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:22", "text": " Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin\u2019 ny hazo. " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Deuteronomy 21:23", "text": "dia tsy havela hiloaka alina eo amin\u2019 ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr\u2019 iny ihany izy (fa voaozon\u2019 Andriamanitra ny mihantona amin\u2019 ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:1", "text": " Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin\u2019 ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin\u2019 ny rahalahinao mihitsy izany. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:2", "text": "Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin\u2019 ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:3", "text": "Ary toy izany koa no hataonao amin\u2019 ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:4", "text": "Ary raha hitanao ny borikin\u2019 ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:5", "text": "Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:6", "text": "Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin\u2019 ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin\u2019 ny zanany. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:7", "text": "Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:8", "text": "Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin\u2019 ny r\u00e0 ho ao an-tranonao ianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:9", "text": "Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:10", "text": "Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:11", "text": "Aza mitafy lamba volon\u2019 ondry sy rongony mifamahofaho. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:12", "text": "Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin\u2019 ny lambanao izay itafianao. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:13", "text": " Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy, " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:14", "text": "dia haratsiny sy al\u00e0ny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina: " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:15", "text": "dia halain\u2019 ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin\u2019 ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0na eo am-bavahady. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:16", "text": "Dia hiteny amin\u2019 ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin\u2019 io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy; " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:17", "text": "ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan\u2019 ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0na izy mivady. " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:18", "text": "Ary halain\u2019 ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0na izany lehilahy izany ka hofaizany. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:19", "text": "Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin\u2019 ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin\u2019 ny andro rehetra hiainany. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:20", "text": "Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina, " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:21", "text": "dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan\u2019 ny mponina amin\u2019 ny tan\u00e0nany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin\u2019 ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:22", "text": "Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin\u2019 olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin\u2019 ny Isiraely ny fanao ratsy. " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:23", "text": "Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin\u2019 olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tan\u00e0na ka mandry aminy, " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:24", "text": "dia ho entinareo mivoaka ho eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 izany tan\u00e0na izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tan\u00e0na ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin\u2019 ny vadin\u2019 ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:25", "text": "Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin\u2019 olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty. " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:26", "text": "Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr\u2019 izany zavatra izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:27", "text": "Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin\u2019 olona, nefa tsy nisy hamonjy azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:28", "text": "Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin\u2019 olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa, " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "Deuteronomy 22:29", "text": "dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an\u2019 ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin\u2019 ny andro rehetra hiainany. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:1", "text": "Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin\u2019 izay nandrian-drainy. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:2", "text": " Tsy mahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:3", "text": "Ny zazasary tsy mahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah: na dia hatramin\u2019 ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:4", "text": "Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah: na dia hatramin\u2019 ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah hatramin\u2019 ny mandrakizay ireny, " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:5", "text": "satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an\u2019 i Balama, zanak\u2019 i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:6", "text": "Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an\u2019 i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:7", "text": "Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin\u2019 ny andronao rehetra mandrakizay. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:8", "text": "Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin\u2019 ny taniny ianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:9", "text": "Ny zafiafin\u2019 ireo dia hahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:10", "text": "Raha mivoaka hiady amin\u2019 ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:11", "text": "Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin\u2019 ny alina, dia hivoaka eny ivelan\u2019 ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:12", "text": "Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin\u2019 ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin\u2019 ny toby indray izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:13", "text": "Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan\u2019 ny toby ho fivoahanao; " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:14", "text": "ary mitondr\u00e0 fantaka miaraka amin\u2019 ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin\u2019 ny fantaka, ka totofy ny fivalananao. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:15", "text": "Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan\u2019 ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho mas\u00ecna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:16", "text": "Aza atolotrao amin\u2019 ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:17", "text": "Eo aminao no hitoerany, dia eo amin\u2019 ny tan\u00e0na izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:18", "text": "Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin\u2019 ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:19", "text": "Aza mitondra ny tangin\u2019 ny vehivavy janga, na ny karaman\u2019 alika, ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo. " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:20", "text": "Aza mampan\u00e0na zavatra amin\u2019 ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:21", "text": "Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao amin\u2019 izay rehetra ataon\u2019 ny tananao eo amin\u2019 ny tany izay efa hidiranao holovana. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:22", "text": "Raha mivoady amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao. " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:23", "text": "Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany. " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:24", "text": "Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin\u2019 i Jehovah ihany, dia izay nolazain\u2019 ny vavanao. " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:25", "text": "Raha mankany amin\u2019 ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody. " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "Deuteronomy 23:26", "text": "Raha mankany amin\u2019 ny tanimbarin\u2019 ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin\u2019 ny namanao. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:1", "text": " Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-t\u00e0nany ka hampiala azy ao an-tranony. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:2", "text": "Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:3", "text": "Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-t\u00e0nany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana: " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:4", "text": "ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin\u2019 ny tany, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:5", "text": "Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:6", "text": "Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsat\u00f2ka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsat\u00f2ka izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:7", "text": "Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:8", "text": "Mitandrema ny amin\u2019 ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron\u2019 ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:9", "text": "Tsarovy izay nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tamin\u2019 i Miriama teny an-dalana tamin\u2019 ny nandehananareo avy tany Egypta. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:10", "text": "Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:11", "text": "Mijan\u00f2na eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:12", "text": "Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka, " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:13", "text": "fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:14", "text": "Aza manao fitondrana sarotra amin\u2019 ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin\u2019 ny taninao sy ao an-tan\u00e0nanao. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:15", "text": "Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin\u2019 ny fony; fandrao hitaraina amin\u2019 i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:16", "text": "Ny ray tsy hatao maty amin\u2019 ny ataon\u2019 ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin\u2019 ny ataon\u2019 ny rainy; fa samy hatao maty amin\u2019 ny fahotany avy ihany ny olona. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:17", "text": "Aza manao fitsarana miangatra amin\u2019 ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian\u2019 ny mpitondratena ho tsat\u00f2ka. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:18", "text": "Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:19", "text": "Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an\u2019 ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao amin\u2019 ny asa rehetra ataon\u2019 ny tananao. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:20", "text": "Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an\u2019 ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:21", "text": "Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an\u2019 ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "Deuteronomy 24:22", "text": "Ary tsarovy fa andevo tany amin\u2019 ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:1", "text": " Raha misy olona manana ady ka mankeo amin\u2019 ny fitsarana ary tsarain\u2019 ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka. " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:2", "text": "Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin\u2019 ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan\u2019 ny kapoka hatao aminy. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:3", "text": "Hatramin\u2019 ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao. " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:4", "text": "Aza manakombona ny vavan\u2019 ny omby mively vary. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:5", "text": "Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin\u2019 ny maty; fa ny rahalahin\u2019 ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:6", "text": "Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran\u2019 ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:7", "text": "Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin\u2019 ny vavahady ho eo amin\u2019 ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin\u2019 ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:8", "text": "Dia hantsoin\u2019 ny loholona amin\u2019 ny tan\u00e0na ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy, " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:9", "text": "dia hanatona azy eo anatrehan\u2019 ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin\u2019 ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin\u2019 ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin\u2019 izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:10", "text": "Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin\u2019 ny Isiraely hoe: Fianakavian\u2019 ilay nalan-kapa. " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:11", "text": "Raha misy olona miady, ary ny vadin\u2019 ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 izay mamely azy, ary maninjitra ny t\u00e0nany ka mandray azy an-kasarotana, " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:12", "text": "dia hotapahinao ny t\u00e0nany; tsy hiantra azy ny masonao. " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:13", "text": "Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao. " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:14", "text": "Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao. " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:15", "text": "Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:16", "text": "Fa fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina. " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:17", "text": " Tsarovy izay nataon\u2019 ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin\u2019 ny nandehananareo avy tany Egypta, " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:18", "text": "dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an\u2019 Andriamanitra izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "Deuteronomy 25:19", "text": "Ary rehefa omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin\u2019 ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin\u2019 ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:1", "text": " Ary rehefa tonga ao amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao, " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:2", "text": "dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin\u2019 ny tany, izay alainao avy amin\u2019 ny taninao, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin\u2019 ny tany izay hofidin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany; " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:3", "text": "dia mankanesa amin\u2019 ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin\u2019 ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razantsika homeny antsika. " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:4", "text": "Dia horaisin\u2019 ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:5", "text": "Dia hiteny eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin\u2019 ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:6", "text": "Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:7", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika; " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:8", "text": "ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran\u2019 i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:9", "text": "dia nitondra antsika niditra teto amin\u2019 ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:10", "text": "Ary ankehitriny, Jehovah \u00f4, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin\u2019 ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:11", "text": "Ary mifalia amin\u2019 ny soa rehetra izay nomen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin\u2019 ny vahiny eo aminao. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:12", "text": "Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin\u2019 ny vokatrao amin\u2019 ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tan\u00e0nanao, ka ho voky izy, " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:13", "text": "ary dia lazao eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-mas\u00ecna tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lal\u00e0nao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:14", "text": "Tsy nisy nohaniko teo amin\u2019 ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin\u2019 ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:15", "text": "Tsinjovy ao amin\u2019 ny fonenanao mas\u00ecna any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin\u2019 ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely. " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:16", "text": " Anio no andidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin\u2019 ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo. " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:17", "text": "Efa nampiteny an\u2019 i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin\u2019 ny lalany sy hitandrina ny lal\u00e0ny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:18", "text": "Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra, " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "Deuteronomy 26:19", "text": "sy hanandratany anao ho ambonin\u2019 ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:1", "text": " Ary Mosesy sy ny loholon\u2019 ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lal\u00e0na rehetra izay andidiako anao anio. " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:2", "text": "Ary amin\u2019 ny andro izay hit\u00e0nareo an\u2019 i Jordana ho any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manang\u00e0na vato lehibe ho anao, ka lalory sokay; " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:3", "text": "dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin\u2019 ity lal\u00e0na ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao. " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:4", "text": "Ary rehefa tafita an\u2019 i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:5", "text": "Ary manorena alitara ao ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:6", "text": "Vato tsy voapaika no hataonao alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:7", "text": "Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihin\u00e0na eo sy mifalia eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:8", "text": "Ary soraty amin\u2019 ireo vato ireo ny teny rehetra amin\u2019 ity lal\u00e0na ity, ka ataovy velona tsara ny soratra. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:9", "text": "Dia niteny tamin\u2019 ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mang\u00ecna, ka mihainoa, ry Isiraely \u00f4: androany no efa tonga firenen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao. " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:10", "text": "Koa henoy ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lal\u00e0ny, izay andidiako anao anio. " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:11", "text": "Dia nandidy ny vahoaka tamin\u2019 izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:12", "text": "Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an\u2019 i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina. " }, { "verse": 13, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:13", "text": "Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly. " }, { "verse": 14, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:14", "text": "Dia hiteny ny Levita ka hanao amin\u2019 ny Isiraely rehetra amin\u2019 ny feo mahery hoe: " }, { "verse": 15, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:15", "text": "Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason\u2019 i Jehovah, asan\u2019 ny tanan\u2019 ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin\u2019 ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 16, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:16", "text": "Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 17, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:17", "text": "Hozonina izay mamindra ny faritanin\u2019 ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 18, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:18", "text": "Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 19, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:19", "text": "Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin\u2019 ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 20, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:20", "text": "Hozonina izay mandry amin\u2019 ny vadin-drainy, fa mandry amin\u2019 izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 21, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:21", "text": "Hozonina izay mandry amin\u2019 ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 22, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:22", "text": "Hozonina izay mandry amin\u2019 ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 23, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:23", "text": "Hozonina izay mandry amin\u2019 ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 24, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:24", "text": "Hozonina izay mamely ny namany ao amin\u2019 ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 25, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:25", "text": "Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " }, { "verse": 26, "chapter": 27, "name": "Deuteronomy 27:26", "text": "Hozonina izay tsy mankat\u00f2 ny tenin\u2019 ity lal\u00e0na ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. " } ] }, { "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:1", "text": " Raha mihaino tsara ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin\u2019 ny firenena rehetra amin\u2019 ny tany ianao; " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:2", "text": "ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:3", "text": "Hotahina ianao ao an-tan\u00e0na, ary hotahina ianao any an-tsaha. " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:4", "text": "Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman\u2019 osinao. " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:5", "text": "Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:6", "text": "Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:7", "text": "Hatolotr\u2019 i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:8", "text": "Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin\u2019 ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon\u2019 ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin\u2019 ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:9", "text": "Hanandratra anao ho firenena mas\u00ecna ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin\u2019 ny lalany. " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:10", "text": "Dia ho hitan\u2019 ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany fa ny anaran\u2019 i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:11", "text": "Ary hataon\u2019 i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin\u2019 ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razanao homena anao. " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:12", "text": "Hovohan\u2019 i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin\u2019 ny taninao amin\u2019 ny fotoany sy hitahiany ny asan\u2019 ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:13", "text": "Dia hataon\u2019 i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:14", "text": "Ary aza miala amin\u2019 ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:15", "text": "Fa raha tsy mihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lal\u00e0ny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao: " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:16", "text": "Hozonina ianao ao an-tan\u00e0na, ary hozonina ianao any an-tsaha. " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:17", "text": "Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:18", "text": "Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman\u2019 osinao. " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:19", "text": "Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka. " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:20", "text": "Hampandehanin\u2019 i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin\u2019 izay rehetra ataon\u2019 ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian\u2019 ny nataonao tamin\u2019 ny nahafoizanao Ahy. " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:21", "text": "Hampiraiketin\u2019 i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin\u2019 ny tany izay efa hidiranao holovana. " }, { "verse": 22, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:22", "text": "Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main\u2019 ny rivotra na maty fotsy no hamelezan\u2019 i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao. " }, { "verse": 23, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:23", "text": "Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin\u2019 ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao. " }, { "verse": 24, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:24", "text": "Hataon\u2019 i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin\u2019 ny taninao; avy any an-danitra no hidinan\u2019 izany aminao mandra-paharinganao. " }, { "verse": 25, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:25", "text": "Hatolotr\u2019 i Jehovah ho resy eo anoloan\u2019 ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin\u2019 ny fanjakana rehetra ambonin\u2019 ny tany ianao. " }, { "verse": 26, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:26", "text": "Ary ny fatinao hohanin\u2019 ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy. " }, { "verse": 27, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:27", "text": "Hamelin\u2019 i Jehovah anao ny vain\u2019 i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody); " }, { "verse": 28, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:28", "text": "ary hamelin\u2019 i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra. " }, { "verse": 29, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:29", "text": "Dia hitsapatsapa ianao na dia amin\u2019 ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan\u2019 ny jamba ao amin\u2019 ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin\u2019 izay halehanao; dia hampahorin\u2019 ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy. " }, { "verse": 30, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:30", "text": "Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra. " }, { "verse": 31, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:31", "text": "Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman\u2019 osinao homena ho an\u2019 ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao. " }, { "verse": 32, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:32", "text": "Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an\u2019 ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao. " }, { "verse": 33, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:33", "text": "Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin\u2019 ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan\u2019 ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao. " }, { "verse": 34, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:34", "text": "Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan\u2019 ny masonao. " }, { "verse": 35, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:35", "text": "Hamelin\u2019 i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin\u2019 ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin\u2019 ny faladianao ka hatramin\u2019 ny tampon-dohanao. " }, { "verse": 36, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:36", "text": "Ho entin\u2019 i Jehovah ho any amin\u2019 ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo. " }, { "verse": 37, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:37", "text": "Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin\u2019 ny firenena rehetra izay hitondran\u2019 i Jehovah anao. " }, { "verse": 38, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:38", "text": "Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin\u2019 ny valala ireny. " }, { "verse": 39, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:39", "text": "Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin\u2019 ny fositra ireny. " }, { "verse": 40, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:40", "text": "Hanana hazo oliva amin\u2019 ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao. " }, { "verse": 41, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:41", "text": "Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. " }, { "verse": 42, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:42", "text": "Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin\u2019 ny valala. " }, { "verse": 43, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:43", "text": "Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany. " }, { "verse": 44, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:44", "text": "Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony. " }, { "verse": 45, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:45", "text": "Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lal\u00e0ny, izay nandidiany anao. " }, { "verse": 46, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:46", "text": "Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany, " }, { "verse": 47, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:47", "text": "satria tsy nanompo an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao tamin\u2019 ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan\u2019 ny zavatra rehetra. " }, { "verse": 48, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:48", "text": "Any amin\u2019 ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin\u2019 i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin\u2019 ny vozonao ireny mandra-pandringany anao. " }, { "verse": 49, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:49", "text": "Ho entin\u2019 i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin\u2019 ny faran\u2019 ny tany-tahaka ny fanidin\u2019 ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny, " }, { "verse": 50, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:50", "text": "firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora " }, { "verse": 51, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:51", "text": "dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman\u2019 osinao, mandra-pandringany anao. " }, { "verse": 52, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:52", "text": "Dia hataony fahirano any amin\u2019 ny tan\u00e0nanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran\u2019 ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin\u2019 ny tan\u00e0nanao rehetra eran\u2019 ny taninao rehetra, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 53, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:53", "text": "Ary eo amin\u2019 ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren\u2019 ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon\u2019 ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 54, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:54", "text": "Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa, " }, { "verse": 55, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:55", "text": "ka tsy hisy amin\u2019 ireo hanomezany ny nofon\u2019 ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin\u2019 ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren\u2019 ny fahavalonao anao any amin\u2019 ny tan\u00e0nanao rehetra. " }, { "verse": 56, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:56", "text": "Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy " }, { "verse": 57, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:57", "text": "noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin\u2019 ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren\u2019 ny fahavalonao anao any amin\u2019 ny tan\u00e0nanao. " }, { "verse": 58, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:58", "text": "Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin\u2019 ity lal\u00e0na ity, izay voasoratra eto amin\u2019 ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO, " }, { "verse": 59, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:59", "text": "dia hataon\u2019 i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela. " }, { "verse": 60, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:60", "text": "Dia haveriny aminao indray ny aretin\u2019 i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny. " }, { "verse": 61, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:61", "text": "Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin\u2019 ny bokin\u2019 ity lal\u00e0na ity aza, dia ho entin\u2019 i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao. " }, { "verse": 62, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:62", "text": "Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao. " }, { "verse": 63, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:63", "text": "Ary araka izay nifalian\u2019 i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian\u2019 i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin\u2019 ny tany, izay efa hidiranao holovana. " }, { "verse": 64, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:64", "text": "Dia haelin\u2019 i Jehovah any amin\u2019 ny firerena rehetra hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao. " }, { "verse": 65, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:65", "text": "Ary any amin\u2019 ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan\u2019 ny faladianao; fa any no hanomezan\u2019 i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy. " }, { "verse": 66, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:66", "text": "Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman\u2019 alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona. " }, { "verse": 67, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:67", "text": "Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan\u2019 ny masonao. " }, { "verse": 68, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:68", "text": "Ary ianao ho entin\u2019 i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin\u2019 izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin\u2019 ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy. " }, { "verse": 69, "chapter": 28, "name": "Deuteronomy 28:69", "text": " IZAO no tenin\u2019 ny fanekena izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy hatao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tany amin\u2019 ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:1", "text": "Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon\u2019 i Jehovah teo imasonareo tany amin\u2019 ny tany Egypta tamin\u2019 i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:2", "text": "dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan\u2019 ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:3", "text": "Nefa tsy nomen\u2019 i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:4", "text": "Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin\u2019 ny tongotrao ny kapanao. " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:5", "text": "Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:6", "text": "Ary nony tonga tamin\u2019 ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan\u2019 i Hesbona, sy Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy. " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:7", "text": "Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin\u2019 ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase. " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:8", "text": "Dia tandremo ny tenin\u2019 izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin\u2019 izay rehetra ataonareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:9", "text": "Hianareo rehetra miseho eto anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan\u2019 ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely, " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:10", "text": "ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin\u2019 ny tobinareo mbamin\u2019 ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:11", "text": "hidiranao amin\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao aminao anio, " }, { "verse": 12, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:12", "text": "hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin\u2019 ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba. " }, { "verse": 13, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:13", "text": "Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao, " }, { "verse": 14, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:14", "text": "fa amin\u2019 izay eto amintsika anio eto anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitsika sy amin\u2019 izay tsy eto amintsika anio koa; " }, { "verse": 15, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:15", "text": "fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin\u2019 ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin\u2019 ny jentilisa; " }, { "verse": 16, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:16", "text": "ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy; " }, { "verse": 17, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:17", "text": "fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin\u2019 i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr\u2019 ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty; " }, { "verse": 18, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:18", "text": "ary raha ren\u2019 izany olona izany ny tenin\u2019 ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin\u2019 ny mangetaheta. " }, { "verse": 19, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:19", "text": "Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin\u2019 izany lehilahy izany ny fahatezeran\u2019 i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin\u2019 ity boky ity, ka hovonoin\u2019 i Jehovah tsy ho eo ambanin\u2019 ny lanitra ny anarany. " }, { "verse": 20, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:20", "text": "Dia hosarahin\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra ho amin\u2019 ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin\u2019 ny fanekena izay voasoratra amin\u2019 ity bokin\u2019 ny lal\u00e0na ity. " }, { "verse": 21, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:21", "text": "Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin\u2019 ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin\u2019 ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan\u2019 i Jehovah azy " }, { "verse": 22, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:22", "text": "fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an\u2019 i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zebo\u00efma, izay noravan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny fahavinirany sy ny fahatezerany " }, { "verse": 23, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:23", "text": "dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin\u2019 ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan\u2019 izao fahatezerana lehibe izao? " }, { "verse": 24, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:24", "text": "Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 25, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:25", "text": "Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy; " }, { "verse": 26, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:26", "text": "dia nirehitra tamin\u2019 ity tany ity ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin\u2019 ity boky ity; " }, { "verse": 27, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:27", "text": "ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan\u2019 i Jehovah azy tsy ho eo amin\u2019 ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin\u2019 ny tany hafa, tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 28, "chapter": 29, "name": "Deuteronomy 29:28", "text": "An\u2019 i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin\u2019 ity lal\u00e0na ity. " } ] }, { "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:1", "text": "Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin\u2019 ny firenena rehetra izay androahan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, " }, { "verse": 2, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:2", "text": "ka miverina amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin\u2019 ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, " }, { "verse": 3, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:3", "text": "dia hampodin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao avy amin\u2019 ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin\u2019 ny firenena rehetra izay nampielezan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao. " }, { "verse": 4, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:4", "text": "Raha misy aminao voaroaka any amin\u2019 ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. " }, { "verse": 5, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:5", "text": "Dia hampidirin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ao amin\u2019 ny tany izay nolovan\u2019 ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. " }, { "verse": 6, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:6", "text": "Dia hoforan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon\u2019 ny taranakao hitiavanao an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao. " }, { "verse": 7, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:7", "text": "Ary hataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. " }, { "verse": 8, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:8", "text": "Dia hihaino ny feon\u2019 i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio. " }, { "verse": 9, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:9", "text": "Ary hataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin\u2019 izay hahasoa anao, dia amin\u2019 ny asan\u2019 ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin\u2019 ny razanao, " }, { "verse": 10, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:10", "text": "raha mihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lal\u00e0ny, izay voasoratra amin\u2019 ity bokin\u2019 ny lal\u00e0na ity, ka miverina amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra. " }, { "verse": 11, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:11", "text": "Fa izao lal\u00e0na izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:12", "text": "Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika? " }, { "verse": 13, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:13", "text": "Ary tsy any an-dafin\u2019 ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin\u2019 ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika? " }, { "verse": 14, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:14", "text": "Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao. " }, { "verse": 15, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:15", "text": "Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza, " }, { "verse": 16, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:16", "text": "tamin\u2019 ny nandidiako anao androany ho tia an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin\u2019 ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lal\u00e0ny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao any amin\u2019 ny tany izay efa hidiranao holovana. " }, { "verse": 17, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:17", "text": "Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan\u2019 izay andriamani-kafa sy hanompo azy, " }, { "verse": 18, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:18", "text": "dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin\u2019 ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an\u2019 i Jordana ianareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:19", "text": "Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, " }, { "verse": 20, "chapter": 30, "name": "Deuteronomy 30:20", "text": "dia ny ho tia an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan\u2019 ny andronao, mba honenanao eo amin\u2019 ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy. " } ] }, { "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:1", "text": " Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin\u2019 ny Isiraely rehetra " }, { "verse": 2, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:2", "text": "ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao. " }, { "verse": 3, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:3", "text": "Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:4", "text": "Ary Jehovah hanao amin\u2019 ireo tahaka ny nataony tamin\u2019 i Sihona sy Oga, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin\u2019 ny taniny. " }, { "verse": 5, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:5", "text": "Dia hatolotr\u2019 i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lal\u00e0na rehetra izay nandidiako anareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:6", "text": "Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:7", "text": "Ary Mosesy niantso an\u2019 i Josoa ka niteny taminy teo imason\u2019 ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin\u2019 ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:8", "text": "Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:9", "text": "Dia nosoratan\u2019 i Mosesy izany lal\u00e0na izany ka natolony ireo mpisorona, taranak\u2019 i Levy, izay mpitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, sy ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:10", "text": "Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin\u2019 ny taom-panafahana, amin\u2019 ny andro firavoravoana fitoerana amin\u2019 ny trano rantsan-kazo, " }, { "verse": 11, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:11", "text": "ka avy hiseho eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao eo amin\u2019 ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan\u2019 ny Isiraely rehetra ny tenin\u2019 ity lal\u00e0na ity hihainoany azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:12", "text": "Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tan\u00e0nanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin\u2019 ity lal\u00e0na ity. " }, { "verse": 13, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:13", "text": "Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo amin\u2019 ny andro rehetra hiainanareo eo amin\u2019 ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an\u2019 i Jordana ianareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:14", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an\u2019 i Josoa, ary mitoera ao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 15, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:15", "text": "Ary Jehovah niseho teo amin\u2019 ny trano-lay tamin\u2019 ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay ny andri-rahona. " }, { "verse": 16, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:16", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin\u2019 ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin\u2019 ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:17", "text": "Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin\u2019 izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin\u2019 izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran\u2019 Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko? " }, { "verse": 18, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:18", "text": "Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin\u2019 izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:19", "text": "Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak\u2019 Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 20, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:20", "text": "Fa rehefa entiko any amin\u2019 ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin\u2019 ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary hand\u00e0 Ahy ka hivadika ny fanekeko. " }, { "verse": 21, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:21", "text": "Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan\u2019 ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin\u2019 ny tany izay nianianako homena azy izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:22", "text": "Dia nosoratan\u2019 i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 23, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:23", "text": "Ary Jehovah nandidy an\u2019 i Josoa, zanak\u2019 i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak\u2019 Isiraely hiditra ao amin\u2019 ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho. " }, { "verse": 24, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:24", "text": "Ary rehefa voasoratr\u2019 i Mosesy teo amin\u2019 ny boky avokoa ny tenin\u2019 ity lal\u00e0na ity, " }, { "verse": 25, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:25", "text": "dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, izy ka nanao hoe: " }, { "verse": 26, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:26", "text": "Raiso ity bokin\u2019 ny lal\u00e0na ity, ka apetraho eo anilan\u2019 ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao. " }, { "verse": 27, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:27", "text": "Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin\u2019 i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho. " }, { "verse": 28, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:28", "text": "Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin\u2019 ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho. " }, { "verse": 29, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:29", "text": "Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin\u2019 ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin\u2019 ny asan\u2019 ny tananareo. " }, { "verse": 30, "chapter": 31, "name": "Deuteronomy 31:30", "text": "Dia nolazain\u2019 i Mosesy teo anatrehan\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin\u2019 izao fihirana izao mandra-pahavitany. " } ] }, { "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:1", "text": " Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin\u2019 ny vavako! " }, { "verse": 2, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:2", "text": "Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin\u2019 ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin\u2019 ny anana. " }, { "verse": 3, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:3", "text": "Fa ny anaran\u2019 i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan\u2019 Andriamanitsika. " }, { "verse": 4, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:4", "text": "Ny amin\u2019 ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin\u2019 ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:5", "text": "Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:6", "text": "Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao? " }, { "verse": 7, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:7", "text": "Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin\u2019 ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy; " }, { "verse": 8, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:8", "text": "Fony nomen\u2019 ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak\u2019 olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin\u2019 ireo firenena Araka ny isan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 9, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:9", "text": "Fa anjaran\u2019 i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany. " }, { "verse": 10, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:10", "text": "Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin\u2019 ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony. " }, { "verse": 11, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:11", "text": "Toy ny voromahery manaitra ny ao amin\u2019 ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin\u2019 ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin\u2019 ny elany, " }, { "verse": 12, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:12", "text": "Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy. " }, { "verse": 13, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:13", "text": "Nampandeha azy teny ambonin\u2019 ny havoana amin\u2019 ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin\u2019 ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin\u2019 ny vatolampy afovato " }, { "verse": 14, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:14", "text": "Sy rononomandrin\u2019 omby sy rononon\u2019 ondry aman\u2019 osy Mbamin\u2019 ny tavin\u2019 ny zanak\u2019 ondry Sy ondrilahin\u2019 i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin\u2019 ny ran\u2019 ny voaloboka ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:15", "text": "Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an\u2019 Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:16", "text": "Nampahasaro-piaro Azy tamin\u2019 ny hafa Izy; Ary tamin\u2019 ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy; " }, { "verse": 17, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:17", "text": "Namono zavatra ho fanatitra ho an\u2019 ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran\u2019 ny razanareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:18", "text": "Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao. " }, { "verse": 19, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:19", "text": "Ary Jehovah nahita izany ka nand\u00e0 Noho ny fahasosorany tamin\u2019 ny zananilahy sy ny zananivavy. " }, { "verse": 20, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:20", "text": "Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky. " }, { "verse": 21, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:21", "text": "Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin\u2019 izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin\u2019 ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin\u2019 izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin\u2019 izay firenena adala. " }, { "verse": 22, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:22", "text": "Fa arehitra ny afon\u2019 ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin\u2019 ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin\u2019 ny tendrombohitra aza. " }, { "verse": 23, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:23", "text": "Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako: " }, { "verse": 24, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:24", "text": "Hofezahin\u2019 ny mosary izy sady holanin\u2019 ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran\u2019 ny Isiraely. Mbamin\u2019 ny poizin\u2019 ny biby mpikisaka amin\u2019 ny vovoka. " }, { "verse": 25, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:25", "text": "Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin\u2019 ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo. " }, { "verse": 26, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:26", "text": "Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin\u2019 ny zanak\u2019 olombelona, " }, { "verse": 27, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:27", "text": "Raha tsy ny fireharehan\u2019 ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany. " }, { "verse": 28, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:28", "text": "Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana. " }, { "verse": 29, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:29", "text": "Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany. " }, { "verse": 30, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:30", "text": "Hataon\u2019 ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon\u2019 ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy? " }, { "verse": 31, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:31", "text": "Fa tsy mba mitovy amin\u2019 ny Vatolampintsika ny vatolampin\u2019 ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara. " }, { "verse": 32, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:32", "text": "Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok\u2019 i Sodoma Ary avy ao amin\u2019 ny sahan\u2019 i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony. " }, { "verse": 33, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:33", "text": "Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin\u2019 ny dragona, Ary poizina loza avy amin\u2019 ny bibilava. " }, { "verse": 34, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:34", "text": "Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako? " }, { "verse": 35, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:35", "text": "Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy. " }, { "verse": 36, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:36", "text": "Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin\u2019 ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka. " }, { "verse": 37, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:37", "text": "Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany, " }, { "verse": 38, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:38", "text": "Izay nihinana ny saboran\u2019 ny fanatiny Ary nisotro ny divain\u2019 ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo. " }, { "verse": 39, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:39", "text": "Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin\u2019 ny tanako. " }, { "verse": 40, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:40", "text": "Fa manangana ny tanako amin\u2019 ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay: " }, { "verse": 41, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:41", "text": "Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain\u2019 ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy. " }, { "verse": 42, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:42", "text": "Hataoko mamon-dr\u00e0 ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran\u2019 ny voavono sy ny babo Mbamin\u2019 ny lohan\u2019 izay lehibe amin\u2019 ny fahavalo. " }, { "verse": 43, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:43", "text": "Mihobia, ry jentilisa mbamin\u2019 ny olony; Fa ny ran\u2019 ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an\u2019 ny taniny sy ny olony. " }, { "verse": 44, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:44", "text": "Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin\u2019 izany fihirana izany teo anatrehan\u2019 ny olona, dia izy sy Hosea, zanak\u2019 i Nona. " }, { "verse": 45, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:45", "text": "Ary nony efa tapitra voalazan\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany, " }, { "verse": 46, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:46", "text": "dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin\u2019 ity lal\u00e0na ity. " }, { "verse": 47, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:47", "text": "Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin\u2019 ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an\u2019 i Jordana ianareo. " }, { "verse": 48, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:48", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe: " }, { "verse": 49, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:49", "text": "Miakara amin\u2019 ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin\u2019 ny tany Moaba tandrifin\u2019 i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak\u2019 Isiraely ho lovany. " }, { "verse": 50, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:50", "text": "Dia aoka ho faty ao amin\u2019 ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin\u2019 ny razanao, tahaka ny nahafatesan\u2019 i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin\u2019 ny razany, " }, { "verse": 51, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:51", "text": "satria nivadika tamiko teo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ianareo tao amin\u2019 ny ranon\u2019 i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ianareo. " }, { "verse": 52, "chapter": 32, "name": "Deuteronomy 32:52", "text": "Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin\u2019 ny tany izay omeko ny Zanak\u2019 Isiraely. " } ] }, { "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:1", "text": " Ary izao no tso-drano nataon\u2019 i Mosesy, lehilahin\u2019 Andriamanitra, tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:2", "text": "Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Se\u00efra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin\u2019 ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lal\u00e0n\u2019 afo ho an\u2019 ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:3", "text": "Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan\u2019 ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin\u2019 ny teninao. " }, { "verse": 4, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:4", "text": "Lal\u00e0na no nandidian\u2019 i Mosesy antsika Ho lovan\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 5, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:5", "text": "Ary tonga mpanjakan\u2019 i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben\u2019 ny vahoaka Sy ny firenen\u2019 Isiraely rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:6", "text": "Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:7", "text": "Ary ny amin\u2019 i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah \u00f4, mihainoa ny feon\u2019 i Joda, Ka ento ho amin\u2019 ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:8", "text": "Ary ny amin\u2019 i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin\u2019 ny olonao mas\u00ecna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin\u2019 ny ranon\u2019 i Meriba, " }, { "verse": 9, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:9", "text": "Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao. " }, { "verse": 10, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:10", "text": "Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lal\u00e0nao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao\u2019 izy Sy fanatitra dorana eo ambonin\u2019 ny alitaranao. " }, { "verse": 11, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:11", "text": "Jehovah \u00f4, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan\u2019 ny t\u00e0nany; Asio mafy ny valahan\u2019 izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:12", "text": "Ary ny amin\u2019 i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan\u2019 i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny. " }, { "verse": 13, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:13", "text": "Ary ny amin\u2019 i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin\u2019 i Jehovah anie ny taniny Amin\u2019 ny zava-tsoan\u2019 ny lanitra, dia amin\u2019 ny ando, Ary amin\u2019 ny rano lalina mamitsaka any ambany, " }, { "verse": 14, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:14", "text": "Ary amin\u2019 ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana, " }, { "verse": 15, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:15", "text": "Ary amin\u2019 ny zava-malaza avy amin\u2019 ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin\u2019 ny havoana mandrakizay " }, { "verse": 16, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:16", "text": "Mbamin\u2019 ny zava-tsoan\u2019 ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan\u2019 Izay nitoetra tao amin\u2019 ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan\u2019 i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan\u2019 ilay nalaza tamin\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 17, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:17", "text": "Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok\u2019 ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran\u2019 ny tany; Ireo no alinalin\u2019 i Efraima Sy arivoarivon\u2019 i Manase. " }, { "verse": 18, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:18", "text": "Ary ny amin\u2019 i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin\u2019 izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao. " }, { "verse": 19, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:19", "text": "Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren\u2019 ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin\u2019 ny fasika. " }, { "verse": 20, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:20", "text": "Ary ny amin\u2019 i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an\u2019 i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin\u2019 ny tampon-doha. " }, { "verse": 21, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:21", "text": "Nizaha izay tsara indrindra ho an\u2019 ny tenany izy, Fa teo ny anaran\u2019 ny mpanao lal\u00e0na no efa voatokana. Niaraka tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan\u2019 i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 22, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:22", "text": "Ary ny amin\u2019 i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:23", "text": "Ary ny amin\u2019 i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian\u2019 i Jehovah, Mandov\u00e0 ny andrefana sy ny atsimo anie ianao. " }, { "verse": 24, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:24", "text": "Ary ny amin\u2019 i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin\u2019 ny diloilo. " }, { "verse": 25, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:25", "text": "Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin\u2019 ny andronao ny fiadananao. " }, { "verse": 26, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:26", "text": "Ry Jesorona, tsy misy tahaka an\u2019 Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin\u2019 ny voninahiny. " }, { "verse": 27, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:27", "text": "Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano. " }, { "verse": 28, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:28", "text": "Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon\u2019 i Jakoba Ao amin\u2019 ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny. " }, { "verse": 29, "chapter": 33, "name": "Deuteronomy 33:29", "text": "Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin\u2019 i Jehovah, Ampingan\u2019 ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo. " } ] }, { "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:1", "text": " Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon\u2019 i Pisga, izay tandrifin\u2019 i Jeriko. Ary nasehon\u2019 i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana " }, { "verse": 2, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:2", "text": "sy Naftaly rehetra sy ny tanin\u2019 ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin\u2019 ny Joda rehetra hatramin\u2019 ny ranomasina andrefana " }, { "verse": 3, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:3", "text": "ary ny tany atsimo sy ny ao amin\u2019 ny lohasahan\u2019 i Jeriko, tan\u00e0na be rofia hatrany Zoara. " }, { "verse": 4, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:4", "text": "Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao. " }, { "verse": 5, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:5", "text": "Ary Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, dia maty teo amin\u2019 ny tany Moaba araka ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:6", "text": "Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin\u2019 ny tany Moaba, tandrifin\u2019 i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. " }, { "verse": 7, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:7", "text": "Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny. " }, { "verse": 8, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:8", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nisaona an\u2019 i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 9, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:9", "text": "Ary Josoa, zanak\u2019 i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan\u2019 i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao araka izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 10, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:10", "text": "Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin\u2019 ny Isiraely tahaka an\u2019 i Mosesy, izay fantatr\u2019 i Jehovah nifanatrika " }, { "verse": 11, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:11", "text": "tamin\u2019 ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan\u2019 i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin\u2019 i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra " }, { "verse": 12, "chapter": 34, "name": "Deuteronomy 34:12", "text": "ary tamin\u2019 ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon\u2019 i Mosesy teo imason\u2019 ny Isiraely rehetra. " } ] } ] }, { "name": "Joshua", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Joshua 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:1", "text": " Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa, zanak\u2019 i Nona, mpanompon\u2019 i Mosesy: " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:2", "text": "Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsang\u00e0na, mit\u00e0 ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin\u2019 ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:3", "text": "Ny tany rehetra izay hodiavin\u2019 ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:4", "text": "Hatramin\u2019 ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin\u2019 ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an\u2019 ny Hetita, ka hatramin\u2019 ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:5", "text": "Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin\u2019 ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an\u2019 i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:6", "text": "Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin\u2019 ny razany homena azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:7", "text": "Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian\u2019 i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia, mba hambinina ianao amin\u2019 izay rehetra alehanao. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:8", "text": "Aoka tsy hiala amin\u2019 ny vavanao ity bokin\u2019 ny lal\u00e0na ity, fa saintsaino andro aman\u2019 alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin\u2019 izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:9", "text": "Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin\u2019 izay rehetra alehanao. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:10", "text": "Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:11", "text": "Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:12", "text": "Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia nilazan\u2019 i Josoa hoe: " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:13", "text": "Tsarovy ny teny izay nandidian\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:14", "text": "Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin\u2019 ny tany izay nomen\u2019 i Mosesy anareo et\u1ef3 an-dafin\u2019 i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan\u2019 ny rahalahinareo hanampy azy, " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:15", "text": "mandra-panomen\u2019 i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin\u2019 ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, anareo et\u1ef3 an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:16", "text": "Dia namaly an\u2019 i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:17", "text": "Araka ny nihainoanay an\u2019 i Mosesy tamin\u2019 ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Joshua 1:18", "text": "Izay rehetra mand\u00e0 ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin\u2019 izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Joshua 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:1", "text": " Ary Josoa, zanak\u2019 i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon\u2019 ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:2", "text": "Ary nisy nilaza tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tonga at\u1ef3 izao alina izao hisafo ny tany. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:3", "text": "Dia naniraka tao amin\u2019 i Rahaba ny mpanjakan\u2019 i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:4", "text": "Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tat\u1ef3 amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany; " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:5", "text": "ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:6", "text": "Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin\u2019 ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin\u2019 ny tampon-trano. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:7", "text": "Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin\u2019 ny lalana mankany Jordana hatrany amin\u2019 ny fit\u00e0na; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:8", "text": "Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:9", "text": "ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen\u2019 i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin\u2019 ny tany noho ny tahotra anareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:10", "text": "Fa efa renay ny nanamainan\u2019 i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin\u2019 ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin\u2019 ny mpanjaka roa tamin\u2019 ny Amorita, izay tany an-dafin\u2019 i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:11", "text": "Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin\u2019 ny lanitra ambony sy et\u1ef3 amin\u2019 ny tany ambany. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:12", "text": "Koa ankehitriny, mas\u00ecna ianareo, mba ianiano amin\u2019 i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin\u2019 ny ankohonan\u2019 ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:13", "text": "fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:14", "text": "Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen\u2019 i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:15", "text": "Dia nampidina azy tamin\u2019 ny mahazaka avy teo amin\u2019 ny varavarankely izy; fa teo amin\u2019 ny m\u00e0ndan\u2019 ny tan\u00e0na ny tranony, ary teo amin\u2019 ny manda no nitoerany. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:16", "text": "Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin\u2019 izay halehanareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:17", "text": "Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin\u2019 izany fianianana nampianianinao anay izany: " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:18", "text": "Indro, rehefa tonga eto amin\u2019 ny tany izahay, dia hafehinao eo amin\u2019 ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin\u2019 ny ankohonan\u2019 ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao; " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:19", "text": "ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran\u2019 ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny r\u00e0ny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny r\u00e0ny, raha t\u00e0hiny misy olona maninona azy akory; " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:20", "text": "fa raha t\u00e0hiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin\u2019 ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:21", "text": "Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin\u2019 ny varavarankely ilay kofehy jaky. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:22", "text": "Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin\u2019 ny mpanenjika; ary nitady azy tamin\u2019 ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:23", "text": "Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin\u2019 i Josoa, zanak\u2019 i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy, " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "Joshua 2:24", "text": "ka hoy izy tamin\u2019 i Josoa: Efa natolotr\u2019 i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin\u2019 ny tany noho ny tahotra antsika. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Joshua 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:1", "text": " Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:2", "text": "Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:3", "text": "ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mial\u00e0 amin\u2019 izay itoeranareo, ka manaraha azy " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:4", "text": "(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:5", "text": "Ary hoy Josoa tamin\u2019 ny olona: Manamas\u00ecna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:6", "text": "Ary niteny tamin\u2019 ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran\u2019 ny fanekena, ka mit\u00e0 eo anoloan\u2019 ny olona. Dia nitondra ny fiaran\u2019 ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan\u2019 ny olona. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:7", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason\u2019 ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an\u2019 i Mosesy no hombako anao koa. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:8", "text": "Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran\u2019 ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin\u2019 ny moron\u2019 i Jordana ianareo, dia mijan\u00f2na eo Jordana ihany. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:9", "text": "Ary Josoa nanao tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Mankanesa at\u1ef3, ka mihainoa ny tenin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:10", "text": "Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita: " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:11", "text": "Indro, ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 ny Tompon\u2019 ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana; " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:12", "text": "koa ankehitriny mangal\u00e0 lehilahy roa ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena; " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:13", "text": "ary raha vao mijanona eo amin\u2019 ny rano Jordana ny faladian\u2019 ny mpisorona izay mitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay mid\u00ecna avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:14", "text": "Ary raha niala tamin\u2019 ny lainy hita an\u2019 i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran\u2019 ny fanekena eo alohan\u2019 ny olona, " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:15", "text": "ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin\u2019 ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano), " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:16", "text": "dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra ter\u1ef3 lavitra er\u1ef3, dia ter\u1ef3 amin\u2019 ny tan\u00e0na Adama, izay eo anilan\u2019 i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin\u2019 ny ranomasin\u2019 ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Joshua 3:17", "text": "Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah dia nijoro tsara tamin\u2019 ny tany maina teo afovoan\u2019 i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin\u2019 ny tany maina mandra-pahatafitan\u2019 izy rehetra an\u2019 i Jordana. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Joshua 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:1", "text": "Ary rehefa tafita an\u2019 i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin\u2019 i Josoa hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:2", "text": "Mangal\u00e0 lehilahy roa ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny olona, dia iray avy isam-pirenena, " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:3", "text": "ka mandidia azy hoe: Mak\u00e0 vato roa ambin\u2019 ny folo eo afovoan\u2019 i Jordana eo amin\u2019 ilay nijoroan\u2019 ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin\u2019 izay handrianareo anio alina. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:4", "text": "Dia nantsoin\u2019 i Josoa ny lehilahy roa ambin\u2019 ny folo, izay nofidiny tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely dia iray avy isam-pirenena, " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:5", "text": "ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan\u2019 i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:6", "text": "mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin\u2019 ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton\u2019 ireo vato ireo? " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:7", "text": "dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah; fa raha nita an\u2019 i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:8", "text": "Dia nanao izany ny Zanak\u2019 Isiraely araka izay nandidian\u2019 i Josoa ka naka vato roa ambin\u2019 ny folo teo afovoan\u2019 i Jordana, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Josoa, araka ny isan\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin\u2019 izay nitobiany ka napetrany teo. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:9", "text": "Ary vato roa ambin\u2019 ny folo no natsangan\u2019 i Josoa teo Jordana, teo amin\u2019 ilay nijoroan\u2019 ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran\u2019 ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:10", "text": "Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan\u2019 i Jordana mandra-pahavitan\u2019 ny zavatra rehetra izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Josoa holazaina amin\u2019 ny olona, araka izay rehetra nandidian\u2019 i Mosesy an\u2019 i Josoa; dia nita faingana ny olona. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:11", "text": "Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran\u2019 i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan\u2019 ny olona. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:12", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Robena sy ny taranak\u2019 i Gada ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely koa, araka izay efa nolazain\u2019 i Mosesy taminy. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:13", "text": "Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan\u2019 i Jehovah hanafika, ho eo amin\u2019 ny tani-hay any Jeriko. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:14", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany no nanandratan\u2019 i Jehovah an\u2019 i Josoa teo imason\u2019 ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an\u2019 i Mosesy, tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:15", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Josoa ka nanao hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:16", "text": "Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran\u2019 ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:17", "text": "Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:18", "text": "Ary rehefa niakatra niala teo afovoan\u2019 i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin\u2019 ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin\u2019 ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:19", "text": "Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin\u2019 ny andro fahafolo tamin\u2019 ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin\u2019 ny sisin-tany atsinanan\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:20", "text": "Ary ireny vato roa ambin\u2019 ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan\u2019 i Josoa tany Gilgala. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:21", "text": "Dia niteny tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin\u2019 ny andro ho avy hoe: Inona no anton\u2019 ireo vato ireo? " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:22", "text": "dia hambaranareo aminy hoe: Tamin\u2019 ny tany maina no nitan\u2019 ny Isiraely ity Jordana ity. " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:23", "text": "Fa nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan\u2019 ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo tamin\u2019 ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Joshua 4:24", "text": "mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany fa mahery ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah, ary mba hatahorany an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Joshua 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:1", "text": "Ary ny mpanjaka rehetra amin\u2019 ny Amorita any an-dafy andrefan\u2019 i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin\u2019 ny Kananita any amoron\u2019 ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan\u2019 i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:2", "text": " Tamin\u2019 izany andro izany no nilazan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:3", "text": "Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak\u2019 Isiraely teo an-kavoana Haralota. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:4", "text": "Ary izao no anton\u2019 ny namoran\u2019 i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin\u2019 izy efa nivoaka avy tany Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:5", "text": "Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin\u2019 izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:6", "text": "Fa efa-polo taona no nandehanan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran\u2019 ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah izy; dia ireo no nianianan\u2019 i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:7", "text": "Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan\u2019 i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:8", "text": "Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin\u2019 ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:9", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan\u2019 i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:10", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin\u2019 ny harivan\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana, teo amin\u2019 ny tani-hay any Jeriko. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:11", "text": "Ary nony ampitson\u2019 ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin\u2019 izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:12", "text": "Ary nitsahatra ny mana tamin\u2019 iny andro ampitso iny, dia tamin\u2019 ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin\u2019 izany taona izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:13", "text": " Ary nony teo akaikin\u2019 i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-t\u00e0nany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman\u2019 ny fahavalonay? " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:14", "text": "Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Jehovah ka tonga at\u1ef3 ankehitriny. Dia niankohoka tamin\u2019 ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin\u2019 ny mpanomponao, Tompokolahy? " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Joshua 5:15", "text": "Dia hoy Ilay Komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Esory amin\u2019 ny tongotrao ny kapanao; fa mas\u00ecna io tany ijanonanao io. Dia nataon\u2019 i Josoa izany. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Joshua 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:1", "text": "Ary nihidy mafy Jeriko tamin\u2019 izany noho ny Zanak\u2019 Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:2", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin\u2019 ny lehilahy mahery. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:3", "text": "Koa mandehana manodidina ny tan\u00e0na indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:4", "text": "Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan\u2019 ny fiara; ary amin\u2019 ny andro fahafito dia hodidino impito ny tan\u00e0na, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:5", "text": "Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon\u2019 ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin\u2019 izay ny m\u00e0ndan\u2019 ny tan\u00e0na, ary hiakatra samy hizotra amin\u2019 izay hitsiny avy ny olona. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:6", "text": "Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak\u2019 i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran\u2019 ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:7", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tan\u00e0na, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:8", "text": "Ary rehefa niteny tamin\u2019 ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan\u2019 i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah nanaraka azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:9", "text": "Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan\u2019 ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:10", "text": "Ary ny vahoaka efa noraran\u2019 i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan\u2019 ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakor\u00e0! dia vao amin\u2019 izay ianareo no hanakora. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:11", "text": "Ary nanodidina ny tan\u00e0na indray mandeha ny fiaran\u2019 i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:12", "text": "Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:13", "text": "Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran\u2019 i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:14", "text": "Dia nanodidina ny tan\u00e0na indray mandeha koa izy tamin\u2019 ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:15", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tan\u00e0na impito toy ny nataony teo, nefa tamin\u2019 izany andro izany ihany no nanodidina ny tan\u00e0na impito izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:16", "text": "Ary tamin\u2019 ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin\u2019 ny vahoaka: Manakor\u00e0! fa efa nomen\u2019 i Jehovah anareo ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:17", "text": "Dia hatolotra ho an\u2019 i Jehovah ho zavatra voaozona ny tan\u00e0na sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:18", "text": "Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin\u2019 ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin\u2019 ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin\u2019 ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:19", "text": "Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah; hatao ao amin\u2019 ny rakitr\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:20", "text": "Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren\u2019 ny vahoaka ny feon\u2019 ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin\u2019 izay ny manda, ary niakatra tao an-tan\u00e0na samy nizotra tamin\u2019 izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:21", "text": "Ary naringany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman\u2019 osy, na boriky. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:22", "text": "Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan\u2019 i Josoa hoe: Mankanesa ao amin\u2019 ny tranon\u2019 ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:23", "text": "Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin\u2019 izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan\u2019 ny tobin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:24", "text": "Ary ny tan\u00e0na sy izay rehetra tao dia nodorany tamin\u2019 ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:25", "text": "Fa Rahaba janga sy ny ankohonan\u2019 ny rainy sy ny havany rehetra mbamin\u2019 izay nety ho azy dia novelomin\u2019 i Josoa, ary mitoetra eo amin\u2019 ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin\u2019 i Josoa hisafo an\u2019 i Jeriko izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:26", "text": "Dia nilaza fanozonana Josoa tamin\u2019 izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan\u2019 i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tan\u00e0na Jeriko ity indray; ny ain\u2019 ny lahimatoany no ho sazin\u2019 ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain\u2019 ny faralahiny no ho sazin\u2019 ny hananganany ny vavahadiny. " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "Joshua 6:27", "text": "Ary Jehovah nomba an\u2019 i Josoa, ka niely tamin\u2019 ny tany rehetra ny lazany. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Joshua 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:1", "text": " Fa ny Zanak\u2019 Isiraely nandika ny didy ny amin\u2019 ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak\u2019 i Karmy, zanak\u2019 i Zabdy, zanak\u2019 i Zera, avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda, naka tamin\u2019 ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny fahatezeran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:2", "text": "Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan\u2019 i Betavena, atsinanan\u2019 i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an\u2019 i Ay. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:3", "text": "Ary niverina tany amin\u2019 i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an\u2019 i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:4", "text": "Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan\u2019 ny mponina tao Ay ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:5", "text": "Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan\u2019 ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon\u2019 ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:6", "text": "Dia notriarin\u2019 i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah mandra-paharivan\u2019 ny andro izy sy ny loholon\u2019 ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:7", "text": "Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo \u00f4! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin\u2019 i Jordana ihany! " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:8", "text": "Indrisy, Tompo \u00f4! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan\u2019 ny fahavalony? " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:9", "text": "Ary ho ren\u2019 ny Kananita sy ny mponina rehetra amin\u2019 ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin\u2019 ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe? " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:10", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Mitsang\u00e0na; nahoana no miankohoka toy izao ianao? " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:11", "text": "Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin\u2019 ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin\u2019 ny entany. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:12", "text": "Koa tsy mahajanona eo anoloan\u2019 ny fahavalony ny Zanak\u2019 Isiraely; miamboho eo anoloan\u2019 ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:13", "text": "Mitsangana, manamas\u00ecna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamas\u00ecna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan\u2019 ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:14", "text": "Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan\u2019 i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan\u2019 i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan\u2019 i Jehovah dia hanatona indray isam-batan\u2019 olona. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:15", "text": "Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin\u2019 ny afo izy mbamin\u2019 izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken\u2019 i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:16", "text": "Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen\u2019 i Joda no notanana. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:17", "text": "Dia nitondra ireo fokon\u2019 i Joda izy; ka ny fianakavian\u2019 i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian\u2019 i Zera indray isam-batan\u2019 olona izy, ka Zabdy no notanana; " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:18", "text": "dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak\u2019 i Karmy, zanak\u2019 i Zabdy zanak\u2019 i Zera, avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda, no notanana. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:19", "text": "Dia hoy Josoa tamin\u2019 i Akana: Anaka, mas\u00ecna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:20", "text": "Ary Akana namaly an\u2019 i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ary izao ka izao no nataoko: " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:21", "text": "Nahita kap\u00f4ty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin\u2019 ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, vo\u00e0fina ao ambanin\u2019 ny tany ao amin\u2019 ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:22", "text": "Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin\u2019 ny lay ireo, ary, indro, vo\u00e0fina tao anatin\u2019 ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:23", "text": "Dia nalainy avy ao amin\u2019 ny lay ireny ka nentiny teo amin\u2019 i Josoa sy ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan\u2019 i Jehovah " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:24", "text": "Dia nalain\u2019 i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak\u2019 i Zera, ary ny volafotsy sy ny kap\u00f4ty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman\u2019 osiny ary ny lainy mbamin\u2019 izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:25", "text": "Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin\u2019 ny afo sady nanangom-bato teo amboniny. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "Joshua 7:26", "text": "Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin\u2019 ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran\u2019 izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Joshua 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:1", "text": " Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaing\u00e0, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan\u2019 i Ay mbamin\u2019 ny vahoakany sy ny tan\u00e0nany ary ny taniny. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:2", "text": "Dia tahaka ny nataonao tamin\u2019 i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin\u2019 i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:3", "text": "Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin\u2019 ny alina. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:4", "text": "Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon\u2019 ny tan\u00e0na hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miom\u00e0na ianareo rehetra. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:5", "text": "Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tan\u00e0na; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:6", "text": "Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tan\u00e0na; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:7", "text": "Ary dia hiroatra avy ao amin\u2019 ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tan\u00e0na; fa atolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:8", "text": "Ary rehefa afakareo ny tan\u00e0na, dia dory amin\u2019 ny afo; araka ny didin\u2019 i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:9", "text": "Dia nampandehanin\u2019 i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan\u2019 i Ay, teo anelanelan\u2019 i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin\u2019 ny vahoaka ihany tamin\u2019 izany alina izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:10", "text": "Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan\u2019 ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:11", "text": "Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin\u2019 i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tan\u00e0na; ary nitoby teo avaratr\u2019 i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan\u2019 izy sy Ay. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:12", "text": "Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan\u2019 i Betela sy Ay, andrefan\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:13", "text": "Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tan\u00e0na sy ny otrika teo andrefan\u2019 ny tan\u00e0na, dia nandeha nankeo amin\u2019 ny lohasaha Josoa tamin\u2019 izany alina izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:14", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tan\u00e0na ka nivoaka faingana hiady tamin\u2019 ny Isiraely, teo amin\u2019 ny tany nifamotoanany tandrifin\u2019 ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:15", "text": "Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin\u2019 ny lalana mankany an-efitra. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:16", "text": "Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tan\u00e0na; ary nanenjika an\u2019 i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:17", "text": "Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tan\u00e0na, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:18", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Atondroy an\u2019 i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron\u2019 i Josoa ny tan\u00e0na ny lefona izay teny an-t\u00e0nany. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:19", "text": "Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin\u2019 ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny t\u00e0nany; dia niditra tao an-tan\u00e0na izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:20", "text": "Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tan\u00e0na niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory, na ho et\u1ef3, na ho er\u1ef3; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:21", "text": "Fa rehefa hitan\u2019 i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon\u2019 ny otrika ny tan\u00e0na, ka niakatra ny setroky ny tan\u00e0na, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:22", "text": "Ary ireo tao an-tan\u00e0na nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan\u2019 ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran\u2019 ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:23", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin\u2019 i Josoa. " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:24", "text": "Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin\u2019 ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin\u2019 ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin\u2019 ny lelan-tsabatra. " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:25", "text": "Ary izay rehetra maty tamin\u2019 izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay. " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:26", "text": "Ary Josoa tsy nampihemotra ny t\u00e0nany izay nanondro tamin\u2019 ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay. " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:27", "text": "Nefa ny biby fiompy mbamin\u2019 ny fananana rehetra tao amin\u2019 izany tan\u00e0na izany dia nalain\u2019 ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nandidiany an\u2019 i Josoa. " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:28", "text": "Ary Ay dia nodoran\u2019 i Josoa ka nofoanany ho tan\u00e0naolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:29", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Ay nahantony tamin\u2019 ny hazo mandra-paharivan\u2019 ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain\u2019 i Josoa nesorina tamin\u2019 ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0na ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany. " }, { "verse": 30, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:30", "text": " Ary tamin\u2019 izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, " }, { "verse": 31, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:31", "text": "araka izay nandidian\u2019 i Mosesy mpanompon\u2019 i Jehovah, ny Zanak\u2019 Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an\u2019 i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana. " }, { "verse": 32, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:32", "text": "Dia nosoratany teo amin\u2019 ny vato ny dikan\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 33, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:33", "text": "Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin\u2019 ny fiara, teo anatrehan\u2019 ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian\u2019 i Mosesy mpanompon\u2019 i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely. " }, { "verse": 34, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:34", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin\u2019 ny lal\u00e0na rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0na. " }, { "verse": 35, "chapter": 8, "name": "Joshua 8:35", "text": "Tsy nisy teny tamin\u2019 izay rehetra nandidian\u2019 i Mosesy, izay tsy novakin\u2019 i Josoa teo anatrehan\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin\u2019 ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Joshua 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:1", "text": " Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay et\u1ef3 an-dafin\u2019 i Jordana, na ny tany amin\u2019 ny tany havoana, na ny tany amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron\u2019 ny Ranomasina Lehibe tandrifin\u2019 i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:2", "text": "dia niray hina niangona hiady amin\u2019 i Josoa sy ny Isiraely izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:3", "text": "Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan\u2019 i Josoa an\u2019 i Jeriko sy Ay, " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:4", "text": "dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin\u2019 ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:5", "text": "ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin\u2019 ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:6", "text": "Dia nankany amin\u2019 i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin\u2019 ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:7", "text": "Ary hoy ny Isiraelita tamin\u2019 ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo? " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:8", "text": "Fa hoy izy tamin\u2019 i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza? " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:9", "text": "Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:10", "text": "ary izay rehetra nataony tamin\u2019 ny mpanjaka roa tamin\u2019 ny Amorita, izay tany an-dafin\u2019 i Jordana, dia Sihona, mpanjakan\u2019 i Hesbona, sy Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, izay tany Astarta. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:11", "text": "Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin\u2019 ny taninay ka nanao hoe: Mitondr\u00e0 vatsy eny an-tananareo ho any amin\u2019 ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:12", "text": "Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin\u2019 ny andro nivoahanay hankat\u1ef3 aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy; " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:13", "text": "ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:14", "text": "Ary nangalan\u2019 ny olona ny vatsin\u2019 ireo, nefa tsy nanontany tamin\u2019 ny vavan\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:15", "text": "Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan\u2019 ny fiangonana koa dia nianiana taminy. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:16", "text": "Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:17", "text": "Dia niainga ny Zanak\u2019 Isiraely ka tonga tany an-tan\u00e0nan\u2019 ireo tamin\u2019 ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tan\u00e0nany. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:18", "text": "Fa tsy namely azy ny Zanak\u2019 Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan\u2019 ny lohan\u2019 ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin\u2019 ireo loholona ny fiangonana rehetra. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:19", "text": "Fa hoy ny loholona rehetra tamin\u2019 ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:20", "text": "Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:21", "text": "Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an\u2019 ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon\u2019 ny loholona taminy. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:22", "text": "Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo? " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:23", "text": "Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitro ianareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:24", "text": "Dia namaly an\u2019 i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an\u2019 i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin\u2019 ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany; " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:25", "text": "koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:26", "text": "Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Joshua 9:27", "text": "Dia natolotr\u2019 i Josoa tamin\u2019 izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an\u2019 ny fiangonana sy ho an\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah mandraka androany eo amin\u2019 ny tany izay hofidiny. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Joshua 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:1", "text": " Ary rehefa ren\u2019 i Adoni-zedeka, mpanjakan\u2019 i Jerosalema, fa afak\u2019 i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin\u2019 i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin\u2019 Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin\u2019 ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:2", "text": "dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tan\u00e0na lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin\u2019 ny tan\u00e0na misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:3", "text": "Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan\u2019 i Jerosalema, ho any amin\u2019 i Hohama mpanjakan\u2019 i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan\u2019 i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan\u2019 i Lakisy, ary Debira, mpanjakan\u2019 i Eglona, ka nanao hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:4", "text": "Miakara at\u1ef3 amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an\u2019 i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin\u2019 i Josoa sy ny Zanak\u2019 Isiraely izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:5", "text": "Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin\u2019 ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan\u2019 i Jerosalema, ny mpanjakan\u2019 i Hebrona, ny mpanjakan\u2019 i Jarmota, ny mpanjakan\u2019 i Lakisy, ary ny mpanjakan\u2019 i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin\u2019 i Gibeona ka namely azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:6", "text": "Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin\u2019 i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho at\u1ef3 aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin\u2019 ny Amorita izay monina any amin\u2019 ny tany havoana. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:7", "text": "Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:8", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:9", "text": "Ary tonga tampoka tamin\u2019 ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:10", "text": "Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan\u2019 ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin\u2019 ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:11", "text": "Ary nony nandositra teo anoloan\u2019 ny Isiraely teo am-pidinan\u2019 i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin\u2019 ny havandra noho izay novonoin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:12", "text": "Ary tamin\u2019 izany Josoa dia niteny tamin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny andro nanoloran\u2019 i Jehovah ny Amorita teo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao teo imason\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Ry masoandro, mijan\u00f2na eo ambonin\u2019 i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan\u2019 i Aialona. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:13", "text": "Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin\u2019 ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin\u2019 ny Bokin\u2019 i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan\u2019 ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:14", "text": "Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan\u2019 i Jehovah ny feon\u2019 olona; fa Jehovah niady ho an\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:15", "text": "Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:16", "text": "Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin\u2019 ilay zohy any Makeda. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:17", "text": "Dia nolazaina tamin\u2019 i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin\u2019 ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:18", "text": "Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan\u2019 ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy; " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:19", "text": "fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tan\u00e0nany ireny, fa efa natolotr\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:20", "text": "Ary rehefa voaringan\u2019 i Josoa sy ny Zanak\u2019 Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda, " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:21", "text": "dia niverina soa aman-tsara ho any amin\u2019 i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely intsony. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:22", "text": "Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan\u2019 ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankat\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:23", "text": "Dia nataon\u2019 ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan\u2019 i Jerosalema, ny mpanjakan\u2019 i Hebrona, ny mpanjakan\u2019 i Jarmota, ny mpanjakan\u2019 i Lakisy, ary ny mpanjakan\u2019 i Eglona. " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:24", "text": "Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin\u2019 i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely Josoa ka nanao tamin\u2019 ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin\u2019 ny vozon\u2019 ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin\u2019 ny vozon\u2019 ireo. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:25", "text": "Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo. " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:26", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin\u2019 ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin\u2019 ny hazo izy mandra-paharivan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:27", "text": "Ary tamin\u2019 ny nilentehan\u2019 ny masoandro dia nasain\u2019 i Josoa nesorina tamin\u2019 ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin\u2019 ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin\u2019 ny vavan\u2019 ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany. " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:28", "text": "Ary Makeda dia afak\u2019 i Josoa tamin\u2019 izany andro izany, ka nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Jeriko, no nataony tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Makeda koa. " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:29", "text": "Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy; " }, { "verse": 30, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:30", "text": "dia natolotr\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nan\u2019 ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra izy mbamin\u2019 ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Jeriko no nataony tamin\u2019 ny mpanjakany koa. " }, { "verse": 31, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:31", "text": "Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy. " }, { "verse": 32, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:32", "text": "Dia natolotr\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nan\u2019 ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin\u2019 ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin\u2019 i Libna koa. " }, { "verse": 33, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:33", "text": "Dia niakatra Horama, mpanjakan\u2019 i Gazera, hamonjy an\u2019 i Lakisy; dia nasian\u2019 i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana. " }, { "verse": 34, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:34", "text": "Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy; " }, { "verse": 35, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:35", "text": "dia afany tamin\u2019 izany andro izany koa izy ka nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin\u2019 izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin\u2019 i Lakisy. " }, { "verse": 36, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:36", "text": "Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy; " }, { "verse": 37, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:37", "text": "dia afany koa izy, ka nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tan\u00e0nany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin\u2019 i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao. " }, { "verse": 38, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:38", "text": "Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy; " }, { "verse": 39, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:39", "text": "dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tan\u00e0nany rehetra; ary nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin\u2019 i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin\u2019 i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin\u2019 i Libna sy ny mpanjakany koa. " }, { "verse": 40, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:40", "text": "Dia nasian\u2019 i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any am-bodin\u2019 ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin\u2019 i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, " }, { "verse": 41, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:41", "text": "Dia nasian\u2019 i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona. " }, { "verse": 42, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:42", "text": "Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon\u2019 i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 43, "chapter": 10, "name": "Joshua 10:43", "text": "Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Joshua 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:1", "text": " Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan\u2019 i Hazora, dia naniraka tany amin\u2019 i Jobaba, mpanjakan\u2019 i Madona, sy ny mpanjakan\u2019 i Simrona sy ny mpanjakan\u2019 i Aksafa, " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:2", "text": "ary ireo mpanjaka tany amin\u2019 ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin\u2019 ny tani-hay atsimon\u2019 i Kinerota sy tany amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin\u2019 ny havoan\u2019 i Dora andrefana, " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:3", "text": "dia tamin\u2019 ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin\u2019 ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin\u2019 ny tany havoana, ary tamin\u2019 ny Hivita tany am-bodin\u2019 i Hermona, tany amin\u2019 ny tany Mizpa. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:4", "text": "Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:5", "text": "Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin\u2019 ny Isiraely ka nitoby teo anilan\u2019 ny rano Meroma. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:6", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan\u2019 ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin\u2019 ny afo ny kalesiny. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:7", "text": "Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron\u2019 ny rano Meroma, dia namely azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:8", "text": "Ary Jehovah nanolotra azy teo an-t\u00e0nan\u2019 ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin\u2019 ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:9", "text": "Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah azy: ny soavalin\u2019 ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:10", "text": "Ary tamin\u2019 izany dia niverina Josoa ka nahafaka an\u2019 i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin\u2019 ny sabatra, satria Hazora no lohan\u2019 ireny fanjakana rehetra ireny fahiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:11", "text": "Ary nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:12", "text": "Ary ny tan\u00e0na rehetra izay an\u2019 ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon\u2019 i Josoa ary nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:13", "text": "Fa ny tan\u00e0na rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran\u2019 ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran\u2019 i Josoa. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:14", "text": "Ary ny fananana rehetra tao amin\u2019 ireny tan\u00e0na ireny sy ny biby fiompy dia nalain\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:15", "text": "Araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy mpanompony no nandidian\u2019 i Mosesy an\u2019 i Josoa; ka dia izany no nataon\u2019 i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:16", "text": "Dia lasan\u2019 i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan\u2019 ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:17", "text": "hatramin\u2019 ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Se\u00efra, ka hatrany Bala-gada eo amin\u2019 ny lohasahan\u2019 i Libanona am-bodin\u2019 ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:18", "text": "Ela no niadian\u2019 i Josoa tamin\u2019 ireny mpanjaka rehetra ireny. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:19", "text": "Tsy nisy tan\u00e0na izay nanao fihavanana tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin\u2019 ny ady avokoa izy rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:20", "text": "Fa avy tamin\u2019 i Jehovah no nanamafian\u2019 ireo ny fony hiady amin\u2019 ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:21", "text": "Dia nandeha tamin\u2019 izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin\u2019 ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Joda rehetra, ary tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 Isiraely rehetra: naringan\u2019 i Josoa avokoa izy sy ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:22", "text": "Tsy nisy sisa tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "Joshua 11:23", "text": "Dia lasan\u2019 i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy; ary nomen\u2019 i Josoa ho lovan\u2019 ny Isiraely izany, araka ny fizaran\u2019 ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Joshua 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:1", "text": " Ary izao no mpanjakan\u2019 ny tany izay resin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana hatramin\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin\u2019 ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan\u2019 ny tani-hay " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:2", "text": "Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan\u2019 ny lohasaha sy ny antsasak\u2019 i Gileada, dia hatramin\u2019 ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:3", "text": "ary ny ilany atsinanan\u2019 ny tani-hay hatramin\u2019 ny Ranomasina Kinerota ka hatramin\u2019 ny ranomasina amin\u2019 ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin\u2019 ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin\u2019 ny tany atsimo eo am-bodin\u2019 i Pisga. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:4", "text": "Ary azony koa ny tanin\u2019 i Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, isan\u2019 ny Refa\u00efta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy, " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:5", "text": "sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak\u2019 i Gileada, fari-tanin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 i Hesbona. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:6", "text": "Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, sy ny Zanak\u2019 Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, ho lovan\u2019 ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:7", "text": "Ary izao no mpanjakan\u2019 ny tany izay resin\u2019 i Josoa sy ny Zanak\u2019 Isiraely tany an-dafy andrefan\u2019 i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan\u2019 i Libanona, ka hatramin\u2019 ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Se\u00efra, ka ny taniny nomen\u2019 i Josoa ny firenen\u2019 ny Isiraely araka ny fizarany, " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:8", "text": "dia ny any amin\u2019 ny tany havoana sy amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin\u2019 ny tani-hay sy amin\u2019 ny tany am-bodin\u2019 ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin\u2019 ny tany atsimo, dia ny an\u2019 ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita: " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:9", "text": "Ny mpanjakan\u2019 i Jeriko, iray; ny mpanjakan\u2019 i Ay, izay eo anilan\u2019 i Betela, iray; " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:10", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Jerosalema, iray; ny mpanjakan\u2019 i Hebrona, iray; " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:11", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Jarmota, iray; ny mpanjakan\u2019 i Lakisy, iray; " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:12", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Eglona, iray; ny mpanjakan\u2019 i Gazera, iray; " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:13", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Debira, iray; ny mpanjakan\u2019 i Gadera, iray; " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:14", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Horma, iray; ny mpanjakan\u2019 i Arada, iray; " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:15", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Libna, iray; ny mpanjakan\u2019 i Adolama, iray; " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:16", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Makeda, iray; ny mpanjakan\u2019 i Betela, iray; " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:17", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Tapoa, iray; ny mpanjakan\u2019 i Hefera, iray; " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:18", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Afeka, iray; ny mpanjakan\u2019 i Lasarona, iray; " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:19", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Madona, iray; ny mpanjakan\u2019 i Hazora, iray; " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:20", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan\u2019 i Aksafa, iray; " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:21", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Tanaka, iray; ny mpanjakan\u2019 i Megido, iray; " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:22", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Kadesy, iray; ny mpanjakan\u2019 i Jokneama any Karmela, iray; " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:23", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Dora eo amin\u2019 ny havoan\u2019 i Dora, iray; ny mpanjakan\u2019 ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray; " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "Joshua 12:24", "text": "ny mpanjakan\u2019 i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan\u2019 ny mpanjaka rehetra. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Joshua 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:1", "text": " Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:2", "text": "Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an\u2019 ny Filistina sy ny Gesorita rehetra, " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:3", "text": "hatrany Sihora, izay atsinanan\u2019 i Egypta, ka hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an\u2019 ny Kananita, ireo andriana dimy amin\u2019 ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:4", "text": "any atsimo, dia ny tanin\u2019 ny Kananita rehetra sy Meara, izay an\u2019 ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Amorita, " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:5", "text": "ary ny tanin\u2019 ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo am-bodin\u2019 ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin\u2019 i Hamata, " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:6", "text": "ary ny mponina rehetra any amin\u2019 ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-mamia, dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin\u2019 ny filokana ho lovan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:7", "text": "Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan\u2019 ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:8", "text": "Ary niaraka tamin\u2019 ireo koa no nahazoan\u2019 ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen\u2019 i Mosesy azy any an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana, araka izay nomen\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, azy, " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:9", "text": "dia hatrany Aroera, izay eo amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tan\u00e0na izay eo afovoan\u2019 ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona, " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:10", "text": "ary ny tan\u00e0na rehetra izay an\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin\u2019 ny faritanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:11", "text": "ary Gileada sy ny tanin\u2019 ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka, " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:12", "text": "dia ny fanjakana rehetra an\u2019 i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin\u2019 ny Refa\u00efta); fa resin\u2019 i Mosesy ireny ka noroahiny. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:13", "text": "Kanefa tsy mba noroahin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:14", "text": "Ny firenen\u2019 i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:15", "text": "Ary nomen\u2019 i Mosesy lova ny firenena taranak\u2019 i Robena araka ny fokony " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:16", "text": "Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tan\u00e0na izay eo afovoan\u2019 ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba, " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:17", "text": "dia Hesbona sy ny tan\u00e0nany rehetra, izay eo amin\u2019 ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:18", "text": "sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:19", "text": "sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin\u2019 ny tendrombohitra ao an-dohasaha, " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:20", "text": "sy Beti-peora sy ny ao am-bodin\u2019 i Pisga ary Beti-jesimota " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:21", "text": "ary ny tan\u00e0na rehetra any amin\u2019 ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin\u2019 i Mosesy izy sy ireo andrianan\u2019 ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an\u2019 i Sihona ka nitoetra teo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:22", "text": "Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak\u2019 i Beora, dia novonoin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny sabatra niaraka tamin\u2019 izay novonoiny. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:23", "text": "Ary ny fari-tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Robena dia ny amoron\u2019 i Jordana. Izay no lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Robena araka ny fokony, dia ny tan\u00e0na sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:24", "text": "Ary nomen\u2019 i Mosesy koa ny firenen\u2019 i Gada, dia ny taranak\u2019 i Gada araka ny fokony. " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:25", "text": "Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tan\u00e0na rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin\u2019 i Raba, " }, { "verse": 26, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:26", "text": "ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin\u2019 ny faritanin\u2019 i Debira; " }, { "verse": 27, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:27", "text": "ary teo amin\u2019 ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin\u2019 ny fanjakan\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 i Hesbona, sy ny amoron\u2019 i Jordana hatramin\u2019 ny amoron\u2019 ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 28, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:28", "text": "Izany no lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Gada araka ny fokony, dia ny tan\u00e0na sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 29, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:29", "text": "Ary nomen\u2019 i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase; ary izao no an\u2019 ny antsasaky ny firenena taranak\u2019 i Manase araka ny fokony: " }, { "verse": 30, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:30", "text": "Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an\u2019 i Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, ary ny tan\u00e0na madinika rehetra an\u2019 i Ja\u00efra, izay any Basana, dia tan\u00e0na enim-polo. " }, { "verse": 31, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:31", "text": "Ary ny antsasak\u2019 i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tan\u00e0na amin\u2019 ny fanjakan\u2019 i Oga any Basana, dia an\u2019 ny taranak\u2019 i Makira, zanak\u2019 i Manase, dia ho an\u2019 ny antsasaky ny taranak\u2019 i Makira araka ny fokony. " }, { "verse": 32, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:32", "text": "Ireo no voazaran\u2019 i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 33, "chapter": 13, "name": "Joshua 13:33", "text": "Ary ny firenen\u2019 i Levy tsy mba nomen\u2019 i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Joshua 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:1", "text": " Ary izao no nolovan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely teo amin\u2019 ny tany Kanana, izay nampandovain\u2019 i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak\u2019 i Nona, ary ny loholon\u2019 ny firenen\u2019 i Zanak\u2019 Isiraely; " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:2", "text": "tamin\u2019 ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an\u2019 i Mosesy ny amin\u2019 ny firenena sivy sy sasany. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:3", "text": "Fa efa nomen\u2019 i Mosesy lova tany an-dafin\u2019 i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak\u2019 i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:4", "text": "Fa firenena roa ny taranak\u2019 i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin\u2019 ny tany ny taranak\u2019 i Levy, afa-tsy ny tan\u00e0na honenany sy ny tany manodidina ny tan\u00e0nany ho an\u2019 ny omby aman\u2019 ondriny sy ny fananany. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:5", "text": "Araka izay efa nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy no nataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ka dia nizara ny tany izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:6", "text": "Dia nankany amin\u2019 i Josoa tany Gilgala ny taranak\u2019 i Joda; ary Kaleba, zanak\u2019 i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy, lehilahin\u2019 Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:7", "text": "Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:8", "text": "Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon\u2019 ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:9", "text": "Dia nianiana tamin\u2019 izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin\u2019 ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah Andriamanitro ianao. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:10", "text": "Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin\u2019 ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin\u2019 ny nilazan\u2019 i Jehovah izany teny izany tamin\u2019 i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:11", "text": "Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin\u2019 ny andro nanirahan\u2019 i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin\u2019 izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:12", "text": "Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 izany andro izany; fa efa renao tamin\u2019 izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tan\u00e0na lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:13", "text": "Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an\u2019 i Hebrona ho lovan\u2019 i Kaleba, zanak\u2019 i Jefone. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:14", "text": "Izany no nahatongavan\u2019 i Hebrona ho lovan\u2019 i Kaleba, zanak\u2019 i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Joshua 14:15", "text": "Ary tan\u00e0nan\u2019 Arba no anaran\u2019 i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin\u2019 ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Joshua 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:1", "text": " Ary izao no anjaran\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Joda tamin\u2019 ny filokana araka ny fokony: hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran\u2019 ny faritany atsimo. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:2", "text": "Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny Ranomasin-tsira, dia hatramin\u2019 ny helo-drano atsimo, " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:3", "text": "dia nandroso hatrany atsimon\u2019 ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon\u2019 i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka, " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:4", "text": "dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak\u2019 i Egypta, ary dia nihatra tamin\u2019 ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:5", "text": "Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin\u2019 ny faran\u2019 i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin\u2019 ny lafiny avaratra dia hatramin\u2019 ny helo-drano eo amin\u2019 ny faran\u2019 i Jordana, " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:6", "text": "dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr\u2019 i Bet-araba, dia niakatra hatramin\u2019 ny vaton\u2019 i Bohana, zanak\u2019 i Robena, " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:7", "text": "dia niakatra ho any Debira hatramin\u2019 ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an\u2019 i Gilgala tandrifin\u2019 ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon\u2019 ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin\u2019 ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela, " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:8", "text": "dia niakatra teo amin\u2019 ny lohasahan\u2019 ny taranak\u2019 i Hinoma, ho eo anilany atsimon\u2019 ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin\u2019 ny tampon\u2019 ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan\u2019 i Hinoma eo andrefany, amin\u2019 ny farany avaratry ny Lohasahan\u2019 ny Refa\u00efta, " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:9", "text": "dia nizotra hatramin\u2019 ny tampon\u2019 ny tendrombohitra ka nihatra tamin\u2019 ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tan\u00e0na tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany), " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:10", "text": "dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin\u2019 ny tendrombohitra Se\u00efra ka nandroso hatramin\u2019 ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:11", "text": "dia nihatra tamin\u2019 ny lafiny avaratr\u2019 i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin\u2019 ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin\u2019 i Jabniela, ary dia nihatra tany amin\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:12", "text": "Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron\u2019 ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran\u2019 ny taranak\u2019 i Joda araka ny fokony. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:13", "text": "Ary Kaleba, zanak\u2019 i Jefone, dia nomeny anjara teo amin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda, araka ny didin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Josoa, dia ny tan\u00e0nan\u2019 i Arba, rain\u2019 i An\u00e0ka (Hebrona izany). " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:14", "text": "Dia noroahin\u2019 i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:15", "text": "Dia niakatra avy tao izy hankany amin\u2019 ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran\u2019 i Debira taloha). " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:16", "text": "Ary hoy Kaleba: Izay mamely an\u2019 i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:17", "text": "Ary Otniela, zanak\u2019 i Kenaza, rahalahin\u2019 i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:18", "text": "Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin\u2019 ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao? " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:19", "text": "Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:20", "text": "Izao no lovan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Joda araka ny fokony: " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:21", "text": "Ny tan\u00e0na farany amin\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Joda, eo akaikin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Edoma amin\u2019 ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:22", "text": "sy Kina sy Dimona sy Adada " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:23", "text": "sy Kadesy sy Hazora sy Itnana " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:24", "text": "sy Zifa sy Talema sy Bealota " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:25", "text": "sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany), " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:26", "text": "sy Amama sy Sema sy Molada " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:27", "text": "sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:28", "text": "sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:29", "text": "sy Bala sy Ie sy Azema " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:30", "text": "sy Eltolada sy Kesila sy Horma " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:31", "text": "sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:32", "text": "sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tan\u00e0na rehetra sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:33", "text": "Ary teo amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna " }, { "verse": 34, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:34", "text": "sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama " }, { "verse": 35, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:35", "text": "sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka " }, { "verse": 36, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:36", "text": "sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tan\u00e0na efatra ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 37, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:37", "text": "ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada " }, { "verse": 38, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:38", "text": "sy Dilana sy Mizpa ary Joktela " }, { "verse": 39, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:39", "text": "sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona " }, { "verse": 40, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:40", "text": "sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa " }, { "verse": 41, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:41", "text": "sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tan\u00e0na enina ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 42, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:42", "text": "Libna sy Atera sy Asana " }, { "verse": 43, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:43", "text": "sy Jifta sy Asna ary Neziba " }, { "verse": 44, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:44", "text": "sy Keila sy Akziba ary Maresa: tan\u00e0na Sivy sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 45, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:45", "text": "Ekrona sy ny tan\u00e0nany ary ny zana-bohiny; " }, { "verse": 46, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:46", "text": "hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an\u2019 i Asdoda, sy ny zana-bohitr\u2019 ireo, " }, { "verse": 47, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:47", "text": "Asdoda sy ny tan\u00e0nany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tan\u00e0nany ary ny zana-bohiny, hatramin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Egypta sy ny amoron\u2019 ny Ranomasina Lehibe. " }, { "verse": 48, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:48", "text": "Ary tany amin\u2019 ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko " }, { "verse": 49, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:49", "text": "sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany) " }, { "verse": 50, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:50", "text": "sy Anaba sy Estemo sy Anima " }, { "verse": 51, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:51", "text": "sy Gosena sy Holona sy Gilo: tan\u00e0na iraika ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 52, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:52", "text": "Araba sy Doma sy Esana " }, { "verse": 53, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:53", "text": "sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka " }, { "verse": 54, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:54", "text": "sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tan\u00e0na sivy sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 55, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:55", "text": "Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota " }, { "verse": 56, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:56", "text": "sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa " }, { "verse": 57, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:57", "text": "sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 58, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:58", "text": "sy Halola sy Beti-zora sy Gedora " }, { "verse": 59, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:59", "text": "sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tan\u00e0na enina sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 60, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:60", "text": "sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tan\u00e0na roa sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 61, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:61", "text": "Tany an-efitra dia Bet-araba sy Mid\u00ecna sy Sekaka " }, { "verse": 62, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:62", "text": "sy Nibsana sy ilay Tan\u00e0nantsira ary En-jedy: tan\u00e0na enina sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 63, "chapter": 15, "name": "Joshua 15:63", "text": "Ary ny amin\u2019 ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak\u2019 i Joda; fa miara-monina amin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Joshua 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:1", "text": " Ary ny faritry ny tany azon\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa tamin\u2019 ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin\u2019 i Jeriko, dia tao amin\u2019 ny ranon\u2019 i Jeriko atsinanana, ka hatramin\u2019 ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan\u2019 i Betela, " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:2", "text": "dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Arkita hatrany Atarota, " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:3", "text": "dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin\u2019 ny Jafletita ka hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:4", "text": "Dia azon\u2019 i Manase sy Efraima, taranak\u2019 i Josefa, ny lovany. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:5", "text": "Ary ny amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin\u2019 ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:6", "text": "Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr\u2019 i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha, " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:7", "text": "dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin\u2019 i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:8", "text": "Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Kana, ka dia nihatra tamin\u2019 ny ranomasina. Izany no lovan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Efraima araka ny fokony, " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:9", "text": "mbamin\u2019 ny tan\u00e0na natokana ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima teo amin\u2019 ny lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Manase koa, dia ny tan\u00e0na rehetra mbamin\u2019 ny zana-bohiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Joshua 16:10", "text": "Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin\u2019 i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Joshua 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:1", "text": "Ary nahazo zara-tany tamin\u2019 ny filokana koa ny firenen\u2019 i Manase (fa izy no lahimatoan\u2019 i Josefa), dia Makira, lahimatoan\u2019 i Manase, rain\u2019 i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an\u2019 i Gileada sy Basana. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:2", "text": "Ary nisy koa ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin\u2019 i Manase, zanak\u2019 i Josefa, araka ny fokony. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:3", "text": "Fa Zelofada, zanak\u2019 i Hefera, zanak\u2019 i Gileada, zanak\u2019 i Matira, zanak\u2019 i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran\u2019 ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:4", "text": "Dia nanatona teo anatrehan\u2019 i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak\u2019 i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an\u2019 i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin\u2019 ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin\u2019 ny rahalahin-drainy izy araka ny didin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:5", "text": "Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izay any an-dafin\u2019 i Jordana, " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:6", "text": "satria ny zanakavavin\u2019 i Manase niara-nahazo lova tamin\u2019 ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Manase sisa. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:7", "text": "Ary ny fari-tanin\u2019 i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin\u2019 i Sekema, dia nandroso tamin\u2019 ny ankavanana hatramin\u2019 ny mponina any En-tapoa. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:8", "text": "Ary an\u2019 i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Manase, dia an\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:9", "text": "Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Kana; ireo tanana teo amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 i Manase ireo dia an\u2019 i Efraima; ary ny faritaniny Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka, ka dia nihatra tamin\u2019 ny ranomasina. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:10", "text": "Ny atsimo dia an\u2019 i Efraima, ary ny avaratra dia an\u2019 i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin\u2019 i Asera teo avaratra sy tamin\u2019 Isakara teo atsinanana izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:11", "text": "Ary Manase nahazo anjara koa teo amin\u2019 Isakara sy teo amin\u2019 i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin\u2019 ny havoana telo ireo. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:12", "text": "Kanefa tsy nahazo ireo tan\u00e0na ireo ny taranak\u2019 i Manase: fa tian\u2019 ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:13", "text": "Fa rehefa nihahery ny Zanak\u2019 Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:14", "text": "Dia niteny tamin\u2019 i Josoa ny taranak\u2019 i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin\u2019 Jehovah toy izao mandraka ankehitriny? " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:15", "text": "Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin\u2019 ny ala, ka miteveza honenanao any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Perizita sy ny Refa\u00efta, fa ter\u1ef3 loatra aminao ny tany havoan\u2019 i Efraima. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:16", "text": "Dia hoy ny taranak\u2019 i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin\u2019 ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin\u2019 ny tany lemaka Jezirela. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:17", "text": "Dia hoy Josoa tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "Joshua 17:18", "text": "" } ] }, { "chapter": 18, "name": "Joshua 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:1", "text": " Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:2", "text": "Ary nisy firenena fito tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:3", "text": "Dia hoy Josoa tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo? " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:4", "text": "Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina at\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:5", "text": "Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin\u2019 ny taniny ao atsimo, ary ny taranak\u2019 i Josefa hitoetra any amin\u2019 ny taniny ao avaratra. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:6", "text": "Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento at\u1ef3 amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitsika aho. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:7", "text": "Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin\u2019 i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana, izay nomen\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:8", "text": "Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena at\u1ef3 amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:9", "text": "Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin\u2019 ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tan\u00e0na, ary dia tafaverina tany amin\u2019 i Josoa tao an-toby tao Silo izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:10", "text": "Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary tao no nizaran\u2019 i Josoa ny tany ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely araka ny fizarany. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:11", "text": " Dia nahazo ny loka ny firenena taranak\u2019 i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan\u2019 ny taranak\u2019 i Joda sy ny taranak\u2019 i Josefa. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:12", "text": "Ary ny fari-taniny amin\u2019 ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin\u2019 ny ilan\u2019 i Jeriko amin\u2019 ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin\u2019 ny efitr\u2019 i Betavena, " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:13", "text": "hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin\u2019 ny ilany atsimon\u2019 i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin\u2019 ny tendrombohitra atsimon\u2019 i Beti-horona ambany, " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:14", "text": "dia niolaka tamin\u2019 ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin\u2019 ny tendrombohitra izay eo anoloan\u2019 i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tan\u00e0nan\u2019 ny taranak\u2019 i Joda; izany no lafiny andrefana. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:15", "text": "Ary ny lafiny atsimo dia hatramin\u2019 ny faran\u2019 i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin\u2019 ny loharanon\u2019 i Neftoa, " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:16", "text": "dia nidina hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny tendrombohitra, izay tandrifin\u2019 ny lohasahan\u2019 ny taranak\u2019 i Hinoma, eo amin\u2019 ny Lohasahan\u2019 ny Refa\u00efta eo avaratra, ka nidina hatramin\u2019 ny lohasahan\u2019 i Hinoma, hatramin\u2019 ny ilany atsimon\u2019 ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela, " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:17", "text": "dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin\u2019 ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin\u2019 ny vaton\u2019 i Bohana, zanak\u2019 i Robena, " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:18", "text": "dia nandroso hatramin\u2019 ny ilany avaratra tandrifin\u2019 ny tani-hay ka nidina hatrany amin\u2019 ny tani-hay. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:19", "text": "dia nandroso hatramin\u2019 ny ilany avaratr\u2019 i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin\u2019 ny helo-drano avaratra amin\u2019 ny Ranomasin-tsira, eo amin\u2019 ny farany atsimo amin\u2019 i Jordana; izany no lafiny atsimo. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:20", "text": "Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina amin\u2019 ny fari-taniny manodidina araka ny fokony. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:21", "text": "Ary ny tan\u00e0nan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan\u2019 i Keziza " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:22", "text": "sy Bet-arab\u00e0 sy Zemaraima sy Betela " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:23", "text": "sy Avima sy Para sy Ofra " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:24", "text": "sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tan\u00e0na roa ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:25", "text": "sy Gibeona sy Rama sy Berota " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:26", "text": "sy Mizpa sy Kefira sy Moza " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:27", "text": "sy Rekema sy Iripela sy Tarala " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "Joshua 18:28", "text": "sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tan\u00e0na efatra ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina araka ny fokony. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Joshua 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:1", "text": "Ary ny loka faharoa dia azon\u2019 i Simeona, dia ny firenena taranak\u2019 i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin\u2019 ny lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:2", "text": "Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:3", "text": "sy Hazara-soala sy Bala sy Azema " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:4", "text": "sy Eltolada sy Betola sy Horma " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:5", "text": "sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:6", "text": "sy Beti-lebaota ary Sarohena: tan\u00e0na telo ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:7", "text": "sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tan\u00e0na efatra sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:8", "text": "ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tan\u00e0na ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin\u2019 ny tany atsimo. Izany no lovan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Simeona araka ny fotony. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:9", "text": "Avy tamin\u2019 ny anjaran\u2019 ny taranak\u2019 i Joda no nahazoan\u2019 ny taranak\u2019 i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran\u2019 ny taranak\u2019 i Joda, ka izany no nahazoan\u2019 ny taranak\u2019 i Simeona anjara tao anatin\u2019 ny azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:10", "text": "Ary ny loka fahatelo dia azon\u2019 ny taranak\u2019 i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin\u2019 ny lovany dia hatrany Sarida, " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:11", "text": "dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an\u2019 i Dabeseta ka nihatra tamin\u2019 ny lohasahan-driaka tandrifin\u2019 i Jokneama, " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:12", "text": "dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia, " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:13", "text": "dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an\u2019 i Nea, " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:14", "text": "dia niolaka eo avaratr\u2019 iny ka nahazo an\u2019 i Hanatona, dia nihatra tamin\u2019 ny lohasaha Jifta-ela. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:15", "text": "Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tan\u00e0na roa ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:16", "text": "Izany no lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tan\u00e0na ireo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:17", "text": "Ary ny loka fahefatra dia azon\u2019 Isakara, dia ny taranak\u2019 Isakara isam-pokony. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:18", "text": "Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:19", "text": "sy Hafraima sy Siona sy Anaharata " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:20", "text": "sy Rabita sy Kisiona sy Abeza " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:21", "text": "sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:22", "text": "Ary ny fari-taniny dia nahazo an\u2019 i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tan\u00e0na enina ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:23", "text": "Izany no lovan\u2019 ny firenena taranak\u2019 Isakara araka ny fokony, dia ireo tan\u00e0na ireo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:24", "text": "Ary ny loka fahadimy dia azon\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Asera isam-pokony. " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:25", "text": "Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa " }, { "verse": 26, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:26", "text": "sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata, " }, { "verse": 27, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:27", "text": "dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia " }, { "verse": 28, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:28", "text": "ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe, " }, { "verse": 29, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:29", "text": "dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tan\u00e0na mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin\u2019 ny ranomasina teo akaikin\u2019 ny tany Akziba " }, { "verse": 30, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:30", "text": "ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tan\u00e0na roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 31, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:31", "text": "Izany no lovan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Asera araka ny fokony, dia ireo tan\u00e0na ireo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 32, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:32", "text": "Ary ny loka fahenina dia an\u2019 ny taranak\u2019 i Naftaly isam-pokony. " }, { "verse": 33, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:33", "text": "Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin\u2019 ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an\u2019 i Jordana, " }, { "verse": 34, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:34", "text": "dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an\u2019 i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron\u2019 i Jordana eo atsinanana. " }, { "verse": 35, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:35", "text": "Ary ny tan\u00e0na mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta " }, { "verse": 36, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:36", "text": "sy Adama sy Rama sy Hazora " }, { "verse": 37, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:37", "text": "sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora " }, { "verse": 38, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:38", "text": "sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tan\u00e0na sivy ambin\u2019 ny folo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 39, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:39", "text": "Izany no lovan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tan\u00e0na ireo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 40, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:40", "text": "Ary ny loka fahafito dia an\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Dana isam-pokony. " }, { "verse": 41, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:41", "text": "Ary ny fari-tanin\u2019 ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy " }, { "verse": 42, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:42", "text": "sy Salabima sy Aialona sy Jitla " }, { "verse": 43, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:43", "text": "sy Elona sy Timna sy Ekrona " }, { "verse": 44, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:44", "text": "sy Elteke sy Gibetona sy Baleta " }, { "verse": 45, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:45", "text": "sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona " }, { "verse": 46, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:46", "text": "sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin\u2019 i Jopa. " }, { "verse": 47, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:47", "text": "Ary ny fari-tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak\u2019 i Dana, dia niady tamin\u2019 i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin\u2019 ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran\u2019 i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran\u2019 i Dana rainy. " }, { "verse": 48, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:48", "text": "Izany no lovan\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Dana araka ny fokony, dia ireo tan\u00e0na ireo sy ny zana-bohiny. " }, { "verse": 49, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:49", "text": "Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak\u2019 i Nona. " }, { "verse": 50, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:50", "text": "Araka ny tenin\u2019 i Jehovah dia nomeny azy ny tan\u00e0na izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima: dia nanamboatra ny tan\u00e0na izy ka nitoetra tao. " }, { "verse": 51, "chapter": 19, "name": "Joshua 19:51", "text": "Ireo no lova izay nozarain\u2019 i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak\u2019 i Nona, ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tao Silo teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia teo am-baravaran\u2019 ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Joshua 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:1", "text": " Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Josoa ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:2", "text": "Lazao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Fidio ny tan\u00e0na fandosirana izay nasaiko nolazain\u2019 i Mosesy taminareo, " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:3", "text": "handosiran\u2019 izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon\u2019 ny mpamaly r\u00e0 " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:4", "text": "Ary raha misy mandositra ho ao amin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo tan\u00e0na ireo ka mijanona eo anoloan\u2019 ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan\u2019 ny loholona amin\u2019 izany tan\u00e0na izany, dia hampidiriny ho ao an-tan\u00e0na izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:5", "text": "Ary raha manenjika azy ny mpamaly r\u00e0, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-t\u00e0nany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:6", "text": "Dia hitoetra ao amin\u2019 izany tan\u00e0na izany izy mandra-pisehony eo anatrehan\u2019 ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin\u2019 izay mpisoronabe amin\u2019 izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tan\u00e0nany sy any an-tranony, dia any amin\u2019 ny tan\u00e0na izay nialany fony izy nandositra. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:7", "text": "Dia nanokana an\u2019 i Kadesy any Galilia any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Naftaly izy sy Sekema any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Joda. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:8", "text": "Ary dia nifidy an\u2019 i Bezera any an-efitra amin\u2019 ny tany lemaka izay an\u2019 ny firenen\u2019 i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an\u2019 ny firenen\u2019 i Gada, ary Golana any Basana, izay an\u2019 ny firenen\u2019 i Manase, any an-dafy atsinanan\u2019 i Jordana, tandrifin\u2019 i Jeriko. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Joshua 20:9", "text": "Ireo no tan\u00e0na voafidy ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran\u2019 izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpamaly r\u00e0 izy mandra-pisehony eo anatrehan\u2019 ny fiangonana. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Joshua 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:1", "text": " Ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Levita dia nanatona an\u2019 i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak\u2019 i Nona, ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny firenen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:2", "text": "ka niteny taminy tao Silo tao amin\u2019 ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an\u2019 i Mosesy mba homena tan\u00e0na hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an\u2019 ny biby fiompinay. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:3", "text": "Dia avy tamin\u2019 ny lovany no nanomezan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Levita izao tan\u00e0na izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:4", "text": "Dia nahazo loka ny fokon\u2019 ny Kehatita; ary ny loka azon\u2019 ny taranak\u2019 i Arona mpisorona isan\u2019 ny Levita dia tan\u00e0na telo ambin\u2019 ny folo, avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Joda sy ny firenen\u2019 i Simeona ary ny firenen\u2019 i Benjamina. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:5", "text": "Ary ny loka azon\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata sisa dia tan\u00e0na folo, avy tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny firenen\u2019 i Efraima sy ny firenen\u2019 i Dana ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:6", "text": "Ary ny loka azon\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona dia tan\u00e0na telo ambin\u2019 ny folo, avy tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny firenen\u2019 Isakara sy ny firenen\u2019 i Asera sy ny firenen\u2019 i Naftaly ary tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase any Basana. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:7", "text": "Ary ny loka azon\u2019 ny taranak\u2019 i Merary isam-pokony dia tan\u00e0na roa ambin\u2019 ny folo, avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Robena sy ny firenen\u2019 i Gada ary ny firenen\u2019 i Zebolona. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:8", "text": "Dia nomen\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Levita tamin\u2019 ny filokana ireo tan\u00e0na ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain\u2019 i Jehovah nandidian\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:9", "text": "Dia nomeny avy tamin\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Joda sy ny firenena taranak\u2019 i Simeona ireto tan\u00e0na hotononina ireto, " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:10", "text": "izay azon\u2019 ny taranak\u2019 i Arona, isam-pokon\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata, amin\u2019 ny taranak\u2019 i Levy; fa azy ny loka voalohany. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:11", "text": "Dia nomeny azy ny tan\u00e0nan\u2019 i Arba, rain\u2019 i An\u00e0ka (Hebrona izany), any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Joda, mbamin\u2019 ny tany manodidina azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:12", "text": "Fa ny saha momba ny tan\u00e0na sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan\u2019 i Kaleba, zanak\u2019 i Jefone. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:13", "text": "Dia nomeny ny taranak\u2019 i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tan\u00e0na fandosirana ho an\u2019 izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:14", "text": "ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy, " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:15", "text": "ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy, " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:16", "text": "ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tan\u00e0na sivy avy tamin\u2019 ireo firenena roa ireo; " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:17", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:18", "text": "ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tan\u00e0na efatra. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:19", "text": "Ny tan\u00e0na rehetra an\u2019 ny mpisorona, taranak\u2019 i Arona, dia telo ambin\u2019 ny folo ary ny tany manodidina azy avy. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:20", "text": "Ary ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Rehata, dia ny Levita sisa tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata, ny tan\u00e0na azony tamin\u2019 ny filokana dia avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Efraima. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:21", "text": "Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, ho tan\u00e0na fandosirana ho an\u2019 izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:22", "text": "ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tan\u00e0na efatra; " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:23", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:24", "text": "ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tan\u00e0na efatra; " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:25", "text": "ary avy tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tan\u00e0na roa. " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:26", "text": "Ny tan\u00e0na rehetra azon\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy. " }, { "verse": 27, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:27", "text": "Ary izao no azon\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona isan\u2019 ny fokon\u2019 ny Levita; avy tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tan\u00e0na fandosirana ho an\u2019 izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tan\u00e0na roa; " }, { "verse": 28, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:28", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy, " }, { "verse": 29, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:29", "text": "ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tan\u00e0na efatra; " }, { "verse": 30, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:30", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 31, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:31", "text": "ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny r\u00e0ny manodidina azy, dia tan\u00e0na efatra; " }, { "verse": 32, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:32", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tan\u00e0na fandosirana ho an\u2019 izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy, dia tan\u00e0na telo. " }, { "verse": 33, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:33", "text": "Ny tan\u00e0na rehetra an\u2019 ny Gersonita isam-potony dia telo ambin\u2019 ny folo ary ny tany manodidina azy avy. " }, { "verse": 34, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:34", "text": "Ary izao no azon\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, izay Levita sisa: avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy, " }, { "verse": 35, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:35", "text": "ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tan\u00e0na efatra; " }, { "verse": 36, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:36", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy, " }, { "verse": 37, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:37", "text": "ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tan\u00e0na efatra; " }, { "verse": 38, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:38", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tan\u00e0na fandosirana ho an\u2019 izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 39, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:39", "text": "ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tan\u00e0na efatra izy rehetra. " }, { "verse": 40, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:40", "text": "Ny tan\u00e0na rehetra an\u2019 ny taranak\u2019 i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin\u2019 ny fokon\u2019 ny Levita, dia tan\u00e0na roa ambin\u2019 ny folo no loka azony. " }, { "verse": 41, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:41", "text": "Ny tan\u00e0na rehetra an\u2019 ny Levita teo anatin\u2019 ny lovan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy. " }, { "verse": 42, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:42", "text": "Ireo tan\u00e0na ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tan\u00e0na rehetra ireo. " }, { "verse": 43, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:43", "text": " Dia nomen\u2019 i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo, " }, { "verse": 44, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:44", "text": "Dia nomen\u2019 i Jehovah fitsaharana amin\u2019 ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin\u2019 ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin\u2019 ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nany avokoa ny fahavalony rehetra. " }, { "verse": 45, "chapter": 21, "name": "Joshua 21:45", "text": "Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "Joshua 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:1", "text": " Ary tamin\u2019 izay dia nantsoin\u2019 i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase, " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:2", "text": "ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian\u2019 i Mosesy mpanompon\u2019 i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo; " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:3", "text": "tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin\u2019 izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lal\u00e0na nasain\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:4", "text": "Ary ankehitriny dia efa nomen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin\u2019 ny lainareo avy, ho any amin\u2019 ny taninareo, izay nomen\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, anareo any an-dafin\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:5", "text": "Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lal\u00e0na izay nandidian\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, anareo, hitiavanareo an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin\u2019 ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin\u2019 ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:6", "text": "Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin\u2019 ny lainy avy izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:7", "text": "Ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase efa nomen\u2019 i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen\u2019 i Josoa teo amin\u2019 ny rahalahiny et\u1ef3 an-dafy andrefan\u2019 i Jordana. Ary raha nampodin\u2019 i Josoa ho any amin\u2019 ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:8", "text": "ka nilazany hoe: Modia ho any amin\u2019 ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman\u2019 ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin\u2019 ny rahalahinareo ny babo azo tamin\u2019 ny fahavalonareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:9", "text": "Dia nody ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase ka nandao ny Zanak\u2019 Isiraely tao Silo, izay ao amin\u2019 ny tany Kanana, hankany amin\u2019 ny tany Gileada ho any amin\u2019 ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin\u2019 i Jehovah nasainy nolazain\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:10", "text": "Ary raha tonga teo amoron\u2019 i Jordana eo amin\u2019 ny tany Kanana ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:11", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase efa nanorina alitara an-tsisin\u2019 ny tany Kanana, eo amoron\u2019 i Jordana, anatin\u2019 ny tanin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:12", "text": "Ary nony ren\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:13", "text": "Dia naniraka an\u2019 i Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara mpisorona, ny Zanak\u2019 Isiraely ho any amin\u2019 ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase, any amin\u2019 ny tany Gileada, " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:14", "text": "sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin\u2019 ny Isiraely rehetra: samy lohan\u2019 ny fianakaviany tamin\u2019 ny arivon\u2019 ny Isiraely ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:15", "text": "Dia tonga tany amin\u2019 ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase tany amin\u2019 ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:16", "text": "Izao no lazain\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin\u2019 Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah ianareo androany tamin\u2019 ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny? " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:17", "text": "Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin\u2019 i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin\u2019 izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin\u2019 ny fiangonan\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:18", "text": "no dia mihod\u00ecna miala amin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin\u2019 i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:19", "text": "Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mit\u00e0 ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 i Jehovah, izay itoeran\u2019 ny tabernakelin\u2019 i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin\u2019 i Jehovah, na miodina aminay, amin\u2019 ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitsika. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:20", "text": "Tsy nandika ny didy va Akana, zanak\u2019 i Zera, tamin\u2019 ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin\u2019 izany helony izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:21", "text": "Dia namaly ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase ka nanao tamin\u2019 ny mpifehy arivo tamin\u2019 ny Isiraely hoe: " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:22", "text": "Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin\u2019 i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio), " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:23", "text": "raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana, eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina; " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:24", "text": "fa tahotra tokoa no anton\u2019 ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely? " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:25", "text": "fa Jordana no nataon\u2019 i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak\u2019 i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin\u2019 i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan\u2019 ny taranakareo tsy hatahotra an\u2019 i Jehovah ny taranakay, " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:26", "text": "Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0, " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:27", "text": "fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an\u2019 i Jehovah eo anatrehany amin\u2019 ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 ary fanati-pihavanana mba tsy holazain\u2019 ny taranakareo amin\u2019 ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin\u2019 i Jehovah ianareo. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:28", "text": "Ary hoy izahay: Raha t\u00e0hiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran\u2019 i Jehovah, izay nataon\u2019 ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta. " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:29", "text": "Sanatria aminay raha hiodina amin\u2019 i Jehovah ka hiala anio amin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0, afa-tsy ny alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan\u2019 ny tabernakeliny. " }, { "verse": 30, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:30", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Finehasa mpisorona sy ny lohan\u2019 ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin\u2019 ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain\u2019 ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny taranak\u2019 i Manase, dia sitrany izany. " }, { "verse": 31, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:31", "text": "Ary hoy Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara mpisorona, tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Robena sy Gada ary ny taranak\u2019 i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin\u2019 i Jehovah ianareo; ary amin\u2019 izany dia efa namonjy ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah ianareo. " }, { "verse": 32, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:32", "text": "Ary Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak\u2019 i Robena sy Gada tany amin\u2019 ny tany Gileada ka nankany amin\u2019 ny tany Kanana ho any amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy. " }, { "verse": 33, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:33", "text": "Ary sitraky ny zanak\u2019 Isiraely izany, dia nisaotra an\u2019 Andriamanitra ny Zanak\u2019 Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan\u2019 ny taranak\u2019 i Robena sy Gada. " }, { "verse": 34, "chapter": 22, "name": "Joshua 22:34", "text": "Dia nasian\u2019 ny taranak\u2019 i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "Joshua 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:1", "text": " Ary rehefa ela, taorian\u2019 ny nanomezan\u2019 i Jehovah fitsaharana ho an\u2019 ny Isiraely ho afaka amin\u2019 ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:2", "text": "dia nantsoin\u2019 i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:3", "text": "ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo tamin\u2019 ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:4", "text": "Indreo, efa voazarako ho lovan\u2019 ny firenenareo tamin\u2019 ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin\u2019 ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin\u2019 ny Ranomasina Lehibe andrefana. " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:5", "text": "Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:6", "text": "Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia, " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:7", "text": "mba tsy hankanesanareo any amin\u2019 ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran\u2019 ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:8", "text": "fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:9", "text": "Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:10", "text": "Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:11", "text": "Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:12", "text": "Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo, " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:13", "text": "dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin\u2019 ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin\u2019 ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin\u2019 ity tany soa nomen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:14", "text": "Ary, indro, efa handeha ho amin\u2019 ny lalana falehan\u2019 ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin\u2019 ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:15", "text": "Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan\u2019 i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin\u2019 ity tany soa nomen\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "Joshua 23:16", "text": "Amin\u2019 izay hivadihanareo ny faneken\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin\u2019 ny tany soa nomeny anareo. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "Joshua 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:1", "text": " Ary Josoa nanangona ny firenen\u2019 ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon\u2019 ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan\u2019 Andriamanitra izy ireo. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:2", "text": "Ary hoy Josoa tamin\u2019 ny vahoaka rehetra: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin\u2019 ny Ony no nonenan\u2019 ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain\u2019 i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:3", "text": "Dia naka an\u2019 i Abrahama razanareo avy tany an-dafin\u2019 ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an\u2019 Isaka ho zanany. " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:4", "text": "Ary Isaka koa dia nomeko an\u2019 i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan\u2019 i Esao ny tendrombohitra Se\u00efra; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:5", "text": "Dia naniraka an\u2019 i Mosesy sy Arona Aho ka namely an\u2019 i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:6", "text": "Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin\u2019 ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin\u2019 ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:7", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:8", "text": "Ary nentiko ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Amorita, izay nonina tany an-dafin\u2019 i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:9", "text": "Dia nitsangana Balaka, zanak\u2019 i Zipora, mpanjakan\u2019 i Moaba, ka niady tamin\u2019 ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an\u2019 i Balama, zanak\u2019 i Beora, izy hanozona anareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:10", "text": "Fa tsy nety nihaino an\u2019 i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin\u2019 ny t\u00e0nany Aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:11", "text": "Ary nita an\u2019 i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin\u2019 ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:12", "text": "Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin\u2019 ny Amorita, fa tsy tamin\u2019 ny sabatrao, na tamin\u2019 ny tsip\u00eckanao. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:13", "text": "Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tan\u00e0na izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin\u2019 ny tanim-boaloboka sy ny tanin\u2019 oliva izay tsy nataonareo ianareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:14", "text": "Koa ankehitriny, matahora an\u2019 i Jehovah, ka manompoa Azy amin\u2019 ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin\u2019 ny razanareo tany an-dafin\u2019 ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:15", "text": "Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an\u2019 i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin\u2019 ny razanareo tany an-dafin\u2019 ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin\u2019 ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an\u2019 i Jehovah izahay. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:16", "text": "Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an\u2019 i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:17", "text": "Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, tany amin\u2019 ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin\u2019 ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin\u2019 ny firenena rehetra izay notetezintsika. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:18", "text": "Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin\u2019 ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an\u2019 i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:19", "text": "Ary hoy Josoa tamin\u2019 ny vahoaka: Tsy mahay manompo an\u2019 i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra mas\u00ecna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:20", "text": "Raha mahafoy an\u2019 i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:21", "text": "Dia hoy ny vahoaka tamin\u2019 i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:22", "text": "Dia hoy Josoa tamin\u2019 ny vahoaka: Vavolombelona ho an\u2019 ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an\u2019 i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:23", "text": "Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:24", "text": "Dia hoy ny vahoaka tamin\u2019 i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay " }, { "verse": 25, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:25", "text": "Ary dia nanao fanekena tamin\u2019 ny vahoaka Josoa tamin\u2019 izany andro izany ka nanome azy lal\u00e0na sy didy tany Sekema. " }, { "verse": 26, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:26", "text": "Dia nosoratan\u2019 i Josoa tao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin\u2019 ny hazo terebinta, izay teo anilan\u2019 ny fitoera-masin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 27, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:27", "text": "Dia hoy Josoa tamin\u2019 ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain\u2019 i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin\u2019 Andriamanitrareo ianareo. " }, { "verse": 28, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:28", "text": "Dia nampodin\u2019 i Josoa ny vahoaka samy ho any amin\u2019 ny lovany avy. " }, { "verse": 29, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:29", "text": " Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak\u2019 i Nona, mpanompon\u2019 i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny. " }, { "verse": 30, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:30", "text": "Dia nalevina tao amin\u2019 ny faritanin\u2019 ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa. " }, { "verse": 31, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:31", "text": "Ary nanompo an\u2019 i Jehovah ny Isiraely tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 i Josoa sy tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 ny loholona izay velona taorian\u2019 i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon\u2019 i Jehovah ho an\u2019 ny Isiraely " }, { "verse": 32, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:32", "text": "Ary ny taolan\u2019 i Josefa, izay efa nentin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin\u2019 ny tany izay novidin\u2019 i Jakoba volafotsy zato tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Hamora, rain\u2019 i Sekema; dia tonga lovan\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa izany. " }, { "verse": 33, "chapter": 24, "name": "Joshua 24:33", "text": "Dia maty koa Eleazara, zanak\u2019 i Arona, ka naleviny teo amin\u2019 ny havoan\u2019 i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima. " } ] } ] }, { "name": "Judges", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Judges 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Judges 1:1", "text": " Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin\u2019 ny Kananita ho anay? " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Judges 1:2", "text": "Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-t\u00e0nany Aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Judges 1:3", "text": "Ary hoy Joda tamin\u2019 i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin\u2019 ny lovako, ka aoka isika hiady amin\u2019 ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin\u2019 ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Judges 1:4", "text": "Dia niakatra Joda, ary natolotr\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Judges 1:5", "text": "Ary nahita an\u2019 i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Judges 1:6", "text": "Nefa nandositra Adoni-bezeka; ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-t\u00e0nany sy ny ankihiben-tongony. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Judges 1:7", "text": "Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-t\u00e0nany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin\u2019 ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin\u2019 Andriamanitra ahy! Ary nentin\u2019 ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Judges 1:8", "text": "Ary namely an\u2019 i Jerosalema ny taranak\u2019 i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin\u2019 ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Judges 1:9", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak\u2019 i Joda hiady amin\u2019 ny Kananita izay nonina tany amin\u2019 ny tany havoana sy tany amin\u2019 ny tany atsimo ary tany amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Judges 1:10", "text": "Dia nandeha Joda hiady amin\u2019 ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran\u2019 i Hebrona taloha), ka namono an\u2019 i Sesay sy Ahimana ary Talmay. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Judges 1:11", "text": "Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin\u2019 ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran\u2019 i Debira taloha). " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Judges 1:12", "text": "Ary hoy Kaleba: Izay mamely an\u2019 i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Judges 1:13", "text": "Ary Otniela, zanakalahin\u2019 i Kenaza, zandrin\u2019 i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Judges 1:14", "text": "Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin\u2019 ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao? " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Judges 1:15", "text": "Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen\u2019 i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Judges 1:16", "text": "Ary ny taranak\u2019 ilay Kenita, zaodahin\u2019 i Mosesy dia niara-niakatra tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda niala tao amin\u2019 ny tan\u00e0na be rofia hankany an-efitr\u2019 i Joda, atsimon\u2019 i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Judges 1:17", "text": "Ary Joda nandeha niaraka tamin\u2019 i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran\u2019 ny tan\u00e0na nataony hoe Horma. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Judges 1:18", "text": "Dia afak\u2019 i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Judges 1:19", "text": "Ary Jehovah nomba an\u2019 i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin\u2019 ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Judges 1:20", "text": "Ary Hebrona dia nomeny an\u2019 i Kaleba, araka izay efa nolazain\u2019 i Mosesy, ka noroahin\u2019 i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Judges 1:21", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Judges 1:22", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Josefa dia niakatra koa hamely an\u2019 i Betela; ary Jehovah nomba azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "Judges 1:23", "text": "Dia naniraka hisafo an\u2019 i Betela ny taranak\u2019 i Josefa (Lozy no anaran\u2019 ny tan\u00e0na taloha); " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "Judges 1:24", "text": "ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tan\u00e0na ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tan\u00e0na, dia hamindra fo aminao izahay. " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "Judges 1:25", "text": "Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tan\u00e0na, ka dia nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra ny tan\u00e0na; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha. " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "Judges 1:26", "text": "Ary nandeha ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tan\u00e0na izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany. " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "Judges 1:27", "text": "Ary Manase tsy nahafaka an\u2019 i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian\u2019 ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany. " }, { "verse": 28, "chapter": 1, "name": "Judges 1:28", "text": "Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 1, "name": "Judges 1:29", "text": "Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita. " }, { "verse": 30, "chapter": 1, "name": "Judges 1:30", "text": "Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana. " }, { "verse": 31, "chapter": 1, "name": "Judges 1:31", "text": "Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika, na ny tany Rehoba; " }, { "verse": 32, "chapter": 1, "name": "Judges 1:32", "text": "fa nonina teo amin\u2019 ny Kananita tompon-tany ny taranak\u2019 i Asera, fa tsy nandroaka azy. " }, { "verse": 33, "chapter": 1, "name": "Judges 1:33", "text": "Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin\u2019 ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata. " }, { "verse": 34, "chapter": 1, "name": "Judges 1:34", "text": "Ary ny Amorita nanesika ny taranak\u2019 i Dana ho any amin\u2019 ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin\u2019 ny tany lemaka, " }, { "verse": 35, "chapter": 1, "name": "Judges 1:35", "text": "fa tian\u2019 ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo. " }, { "verse": 36, "chapter": 1, "name": "Judges 1:36", "text": "Ary ny fari-tanin\u2019 ny Amorita dia hatramin\u2019 ny fiakarana Akrabima ka hatramin\u2019 ilay harambato no ho mankany. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Judges 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Judges 2:1", "text": " Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin\u2019 ny tany izay nianianako tamin\u2019 ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay; " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Judges 2:2", "text": "koa aza manao fanekena amin\u2019 ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao? " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Judges 2:3", "text": "Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin\u2019 ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Judges 2:4", "text": "Ary nony niteny izany teny izany tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Judges 2:5", "text": "Ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Judges 2:6", "text": " Ary rehefa nampodin\u2019 i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin\u2019 ny lovany avy ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra handova ny tany. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Judges 2:7", "text": "Ary nanompo an\u2019 i Jehovah ny vahoaka tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 i Josoa sy tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 ny loholona izay velona taorian\u2019 i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon\u2019 i Jehovah ho an\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Judges 2:8", "text": "Ary maty Josoa, zanak\u2019 i Nona, mpanompon\u2019 i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Judges 2:9", "text": "Dia nalevina tao anatin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Judges 2:10", "text": "Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin\u2019 ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an\u2019 i Jehovah na ny asa efa nataony ho an\u2019 ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Judges 2:11", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely, fa nanompo ireo Bala " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Judges 2:12", "text": "ka nahafoy an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin\u2019 ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Judges 2:13", "text": "Eny, nahafoy an\u2019 i Jehovah izy ka nanampo an\u2019 i Bala sy Astarta. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Judges 2:14", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 ny Isiraely ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka natolony teo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan\u2019 ny fahavalony intsony. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Judges 2:15", "text": "Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan\u2019 i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Judges 2:16", "text": "Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 ireo namabo azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Judges 2:17", "text": "Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin\u2019 ny lalana izay nandehanan\u2019 ny razany nanaraka ny didin\u2019 i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Judges 2:18", "text": "Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalony tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin\u2019 ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Judges 2:19", "text": "Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon\u2019 ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra t\u00e0min\u2019 ny fanaony na tamin\u2019 ny lalana nanaovany ditra izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Judges 2:20", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 ny Isiraely ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko, " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Judges 2:21", "text": "dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin\u2019 ny firenena izay tsy mbola resy hatramin\u2019 ny andro nahafatesan\u2019 i Josoa, " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Judges 2:22", "text": "mba hizahako toetra ny Isiraely amin\u2019 ireny, na hitandrina ny lalan\u2019 i Jehovah ka handeha amin\u2019 izany araka izay nitandreman\u2019 ny razany izany izy, na tsia. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Judges 2:23", "text": "Dia navelan\u2019 i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-t\u00e0nan\u2019 i Josoa ireny. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Judges 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Judges 3:1", "text": "Ary ny firenena navelan\u2019 i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana, " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Judges 3:2", "text": "mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak\u2019 Isiraely izany amin\u2019 ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha; " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Judges 3:3", "text": "dia ireo andriana dimy tamin\u2019 ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin\u2019 i Bala-hermona ka hatramin\u2019 ny lalana mankany Hamata. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Judges 3:4", "text": "Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin\u2019 i Jehovah, izay nasainy nandidian\u2019 i Mosesy ny razany, izy, na tsia. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Judges 3:5", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nonina teo amin\u2019 ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Judges 3:6", "text": "Ary naka ny zanakavavin\u2019 ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin\u2019 ny zanakalahin\u2019 ireny ka nanompo ny andriamaniny. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Judges 3:7", "text": " Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanadino an\u2019 i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Judges 3:8", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 ny Isiraely ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Kosan-risataima, mpanjakan\u2019 i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an\u2019 i Kosan-risataima valo taona ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Judges 3:9", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin\u2019 i Kenaza, zandrin\u2019 i Kaleba. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Judges 3:10", "text": "Ary ny Fanahin\u2019 i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan\u2019 i Mesopotamia, dia natolotr\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nany; ary nahery ny t\u00e0nany ka namely an\u2019 i Kosan-risataima. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Judges 3:11", "text": "Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak\u2019 i Kenaza. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Judges 3:12", "text": "Fa nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah indray ny zanak\u2019 Isiraely ary i Jehovah nampahery an\u2019 i Eglona, mpanjakan\u2019 i Moaba, hiady amin\u2019 ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Judges 3:13", "text": "Dia nampiangona ny taranak\u2019 i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tan\u00e0na be rofia. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Judges 3:14", "text": "Dia nanompo an\u2019 i Eglona, mpanjakan\u2019 i Moaba, valo ambin\u2019 ny folo taona ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Judges 3:15", "text": "Ary nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak\u2019 i Gera, avy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an\u2019 i Eglona, mpanjakan\u2019 i Moaba, ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Judges 3:16", "text": "Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin\u2019 ny fehin-kibony ambanin\u2019 ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Judges 3:17", "text": "Dia nitondra ny fanomezana ho an\u2019 i Eglona, mpanjakan\u2019 i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Judges 3:18", "text": "Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "Judges 3:19", "text": "Fa nony tonga teo amin\u2019 ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka \u00f4. Dia hoy kosa izy: Mial\u00e0 kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "Judges 3:20", "text": "Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin\u2019 Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin\u2019 ny seza fiandrianana Eglona. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "Judges 3:21", "text": "Ary naninjitra ny t\u00e0nany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin\u2019 ny kibon\u2019 i Eglona izany; " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "Judges 3:22", "text": "ary difotra mbamin\u2019 ny zarany, ka voasaron\u2019 ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin\u2019 ny kibony izy; ary niboroaka teo amin\u2019 ny vodiny izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "Judges 3:23", "text": "Dia nivoaka teo amin\u2019 ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran\u2019 ny trano ka nanidy azy tao. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "Judges 3:24", "text": "Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon\u2019 i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran\u2019 ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha. " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "Judges 3:25", "text": "Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran\u2019 ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin\u2019 ny rihana ny tompony " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "Judges 3:26", "text": "Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Se\u00efrata. " }, { "verse": 27, "chapter": 3, "name": "Judges 3:27", "text": "Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin\u2019 ny tany havoana ny Zanak\u2019 Isiraely, ary izy no nitarika azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 3, "name": "Judges 3:28", "text": "Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr\u2019 i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fit\u00e0na any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. " }, { "verse": 29, "chapter": 3, "name": "Judges 3:29", "text": "Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin\u2019 izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. " }, { "verse": 30, "chapter": 3, "name": "Judges 3:30", "text": "Dia resin\u2019 ny tanan\u2019 ny Isiraely ny Moabita tamin\u2019 izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany. " }, { "verse": 31, "chapter": 3, "name": "Judges 3:31", "text": "Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak\u2019 i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin\u2019 ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Judges 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Judges 4:1", "text": " Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Judges 4:2", "text": "Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Jabina, mpanjakan\u2019 i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan\u2019 ny Jentilisa, no komandin\u2019 ny miaramilany. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Judges 4:3", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak\u2019 Isiraely roa-polo taona izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Judges 4:4", "text": "Ary Debora mpaminanivavy, vadin\u2019 i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Judges 4:5", "text": "Ary izy nipetraka teo ambanin\u2019 ny hazo rofian\u2019 i Debora, teo anelanelan\u2019 i Rama sy Betela, tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak\u2019 Isiraely hatsaraina. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Judges 4:6", "text": "Ary Debora naniraka ka niantso an\u2019 i Baraka, zanak\u2019 i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondr\u00e0 iray alin-dahy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao? " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Judges 4:7", "text": "Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron\u2019 ny ony Kisona, Sisera, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Jabina, mbamin\u2019 ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Judges 4:8", "text": "Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Judges 4:9", "text": "Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan\u2019 i Jehovah an\u2019 i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin\u2019 i Baraka hankany Kadesy " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Judges 4:10", "text": "Ary nantsoin\u2019 i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Judges 4:11", "text": "Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin\u2019 ny Kenita izay avy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Hobaba, zaodahin\u2019 i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin\u2019 ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan\u2019 i Kadesy. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Judges 4:12", "text": "Ary nisy nilaza tamin\u2019 i Sisera fa Baraka, zanak\u2019 i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Judges 4:13", "text": "Dia nangonin\u2019 i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan\u2019 ny Jentilisa, hankany amin\u2019 ny ony Kisona. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Judges 4:14", "text": "Ary hoy Debora tamin\u2019 i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran\u2019 i Jehovah an\u2019 i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Judges 4:15", "text": "Dia nampifanaritahin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan\u2019 i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin\u2019 ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Judges 4:16", "text": "Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon\u2019 ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan\u2019 i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Judges 4:17", "text": "Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin\u2019 ny lain\u2019 i Jaela, vadin\u2019 i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan\u2019 i Hazora, sy ny mpianakavin\u2019 i Hebera Kenita. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Judges 4:18", "text": "Dia nivoaka Jaela hitsena an\u2019 i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara at\u1ef3 amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Judges 4:19", "text": "Ary hoy Sisera taminy: Mas\u00ecna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Judges 4:20", "text": "Dia hoy izy taminy: Mitsang\u00e0na eo am-baravaran\u2019 ny lay, ka raha t\u00e0hiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Judges 4:21", "text": "Dia naka tsima-day Jaela, vadin\u2019 i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-t\u00e0nany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin\u2019 ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin\u2019 ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Judges 4:22", "text": "Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an\u2019 i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia at\u1ef3, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin\u2019 i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin\u2019 ny fihirifany. " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Judges 4:23", "text": "Dia naetrin\u2019 Andriamanitra teo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 izany andro izany Jabina, mpanjakan\u2019 i Kanana. " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Judges 4:24", "text": "Ary ny tanan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely nihahery tamin\u2019 i Jabina, mpanjakan\u2019 i Kanana, mandra-pandringany azy. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Judges 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Judges 5:1", "text": " Ary Debora sy Baraka, zanak\u2019 i Abinoama, dia nihira tamin\u2019 izany andro izany ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Judges 5:2", "text": "Noho ny fitarihan\u2019 ny lehibe tamin\u2019 ny Isiraely sy ny fahazotoan\u2019 ny vahoaka nanolotena, dia mider\u00e0 an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Judges 5:3", "text": "Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an\u2019 i Jehovah; hankalaza an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Judges 5:4", "text": "Jehovah \u00f4, fony nivoaka avy tany Se\u00efra Hianao ary nandeha avy tany amin\u2019 ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Judges 5:5", "text": "Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan\u2019 i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Judges 5:6", "text": "Tamin\u2019 ny andron\u2019 i Samgara, zanak\u2019 i Anata, sy tamin\u2019 ny andron\u2019 i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan\u2019 ny mpandeha. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Judges 5:7", "text": "Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin\u2019 ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Judges 5:8", "text": "Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin\u2019 izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin\u2019 ny olona efatra alina tamin\u2019 ny Isiraely? " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Judges 5:9", "text": "Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin\u2019 ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin\u2019 ny vahoaka, mider\u00e0 an\u2019 i Jehovah ianareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Judges 5:10", "text": "Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin\u2019 ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin\u2019 ny lalana, samia milaza. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Judges 5:11", "text": "Lavitra ny feon\u2019 ny mpandefa zana-tsip\u00ecka, dia eo amin\u2019 ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon\u2019 i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin\u2019 ny tany Isily; Tamin\u2019 izany dia nidina ny olon\u2019 i Jehovah ho any am-bavahady. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Judges 5:12", "text": "Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihir\u00e0! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin\u2019 i Abinoama. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Judges 5:13", "text": "Tamin\u2019 izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin\u2019 ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Judges 5:14", "text": "Ny avy amin\u2019 i Efraima, izay miorina amin\u2019 i Amaleka, dia nomba anao teo amin\u2019 ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan\u2019 ny mpanao lal\u00e0na, ary avy tamin\u2019 i Zebolona ireo mitana ny tehin\u2019 ny mpifehy. " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Judges 5:15", "text": "Ary ny andrianan\u2019 Isakara niaraka tamin\u2019 i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin\u2019 ny sakeli-dranon\u2019 i Robena! " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Judges 5:16", "text": "Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan\u2019 ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin\u2019 ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin\u2019 ny sakeli-dranon\u2019 i Robena! " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Judges 5:17", "text": "Gileada nitoetra tany an-dafin\u2019 i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin\u2019 ny fitodiany no nipetrahany. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Judges 5:18", "text": "Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin\u2019 ny fitoerana avo any an-tsaha. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Judges 5:19", "text": "Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan\u2019 i Kanana, dia teo anilan\u2019 ny ranon\u2019 i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "Judges 5:20", "text": "Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin\u2019 ny nalehany niady tamin\u2019 i Sisera. " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "Judges 5:21", "text": "Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko! " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "Judges 5:22", "text": "Tamin\u2019 izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "Judges 5:23", "text": "Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah, Ozony dia oz\u00f2ny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an\u2019 i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an\u2019 i Jehovah hamely ny mahery. " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "Judges 5:24", "text": "Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin\u2019 i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "Judges 5:25", "text": "Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian\u2019 andriana no nitondrany rononomandry. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "Judges 5:26", "text": "Ny t\u00e0nany nandray ny tsima-day, Ary ny t\u00e0nany ankavanana nandray ny tantanan\u2019 ny mpiasa, dia namely an\u2019 i Sisera tamin\u2019 ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany. " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "Judges 5:27", "text": "Teo amin\u2019 ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin\u2019 ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin\u2019 izay niondrehany no niamparan\u2019 ny fatiny. " }, { "verse": 28, "chapter": 5, "name": "Judges 5:28", "text": "Tao amin\u2019 ny varavarankely no nitsirihan\u2019 ny renin\u2019 i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin\u2019 ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian\u2019 ny kalesiny? " }, { "verse": 29, "chapter": 5, "name": "Judges 5:29", "text": "Izay hendry tamin\u2019 ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe: " }, { "verse": 30, "chapter": 5, "name": "Judges 5:30", "text": "Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an\u2019 ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon\u2019 i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon\u2019 ny nahazo babo. " }, { "verse": 31, "chapter": 5, "name": "Judges 5:31", "text": "Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah \u00f4; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin\u2019 ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Judges 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Judges 6:1", "text": " Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely, ka dia natolotr\u2019 i Jehovah ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Midiana fito taona izy; " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Judges 6:2", "text": "ary ny tanan\u2019 ny Midiana dia nahery tamin\u2019 ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin\u2019 ny fiarovana. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Judges 6:3", "text": "Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Judges 6:4", "text": "Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin\u2019 i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman\u2019 ny Isiraely, na ondry aman\u2019 osy, na omby, na boriky; " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Judges 6:5", "text": "fa niakatra izy nitondra ny omby aman\u2019 ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin\u2019 ny tany izy handrava azy " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Judges 6:6", "text": "Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Judges 6:7", "text": "Ary raha nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely noho ny Midiana, " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Judges 6:8", "text": "Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin\u2019 ny zanak\u2019 Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny trano nahandevozana " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Judges 6:9", "text": "ary namonjy anareo tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Egyptiana sy ny t\u00e0nan\u2019 izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny; " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Judges 6:10", "text": "ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon\u2019 ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Judges 6:11", "text": "Dia tonga Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah ka nipetraka teo ambanin\u2019 ny hazo terebinta teo Ofra, izay an\u2019 i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin\u2019 ny fant\u00e0ka teo anilan\u2019 ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin\u2019 ny Midiana. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Judges 6:12", "text": "Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Judges 6:13", "text": "Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin\u2019 izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain\u2019 ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Midiana. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Judges 6:14", "text": "Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin\u2019 izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho? " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Judges 6:15", "text": "Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo \u00f4, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin\u2019 ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin\u2019 ny ankohonan\u2019 ny raiko. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Judges 6:16", "text": "Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Judges 6:17", "text": "Dia hoy izy taminy: Mas\u00ecna Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Judges 6:18", "text": "Mas\u00ecna Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Judges 6:19", "text": "Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak\u2019 osy sy mofo tsy misy masirasira tamin\u2019 ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin\u2019 ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin\u2019 ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin\u2019 ilay hazo terebinta ka natolony Azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Judges 6:20", "text": "Ary hoy Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin\u2019 ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Judges 6:21", "text": "Ary naroson\u2019 Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah ny lohan\u2019 ny tehina izay teny an-t\u00e0nany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin\u2019 ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah dia lasa niala teo imasony. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Judges 6:22", "text": "Dia hitan\u2019 i Gideona fa Anjelin\u2019 i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo \u00f4! fa nahita Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah nifanatrika aho. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "Judges 6:23", "text": "Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "Judges 6:24", "text": "Ary Gideona nanorina alitara teo ho an\u2019 i Jehovah-saloma; mbola ao Ofran\u2019 ny Abiezrita izany mandraka androany. " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "Judges 6:25", "text": "Ary tamin\u2019 izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran\u2019 i Bala, izay an\u2019 ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany; " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "Judges 6:26", "text": "dia manorena alitara eto an-tampon\u2019 ity fiarovana ity ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin\u2019 ny hazon\u2019 ny Aseraha izay hokapainao. " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "Judges 6:27", "text": "Ary Gideona naka folo lahy tamin\u2019 ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain\u2019 i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tan\u00e0na izy dia tsy nanao izany tamin\u2019 ny antoandro, fa tamin\u2019 ny alina no nanaovany azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 6, "name": "Judges 6:28", "text": "Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tan\u00e0na, ka indro, efa rava ny alitaran\u2019 i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin\u2019 ny alitara izay natao, " }, { "verse": 29, "chapter": 6, "name": "Judges 6:29", "text": "dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak\u2019 i Joasy, no nanao izany zavatra izany. " }, { "verse": 30, "chapter": 6, "name": "Judges 6:30", "text": "Dia hoy ny lehilahy tao an-tan\u00e0na tamin\u2019 i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran\u2019 i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany. " }, { "verse": 31, "chapter": 6, "name": "Judges 6:31", "text": "Ary hoy Joasy tamin\u2019 izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an\u2019 i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an\u2019 i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an\u2019 ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany. " }, { "verse": 32, "chapter": 6, "name": "Judges 6:32", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany ny anaran\u2019 ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany. " }, { "verse": 33, "chapter": 6, "name": "Judges 6:33", "text": " Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin\u2019 ny tany lemaka Jezirela. " }, { "verse": 34, "chapter": 6, "name": "Judges 6:34", "text": "Ary notsindrian\u2019 ny Fanahin\u2019 i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita. " }, { "verse": 35, "chapter": 6, "name": "Judges 6:35", "text": "Ary naniraka olona nankany amin\u2019 ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin\u2019 ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo. " }, { "verse": 36, "chapter": 6, "name": "Judges 6:36", "text": "Ary hoy Gideona tamin\u2019 Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, " }, { "verse": 37, "chapter": 6, "name": "Judges 6:37", "text": "indro, hapetrako eo amin\u2019 ny famoloana ity volon\u2019 ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon\u2019 ondry ihany no lenan\u2019 ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao. " }, { "verse": 38, "chapter": 6, "name": "Judges 6:38", "text": "Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon\u2019 ondry, ary nisy ranon\u2019 ando eran\u2019 ny lovia. " }, { "verse": 39, "chapter": 6, "name": "Judges 6:39", "text": "Ary hoy koa Gideona tamin\u2019 Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin\u2019 ny volon\u2019 ondry: aoka ny volon\u2019 ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan\u2019 ny ando. " }, { "verse": 40, "chapter": 6, "name": "Judges 6:40", "text": "Dia nataon\u2019 Andriamanitra izany tamin\u2019 ny alin\u2019 iny, ka ny volon\u2019 ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan\u2019 ny ando. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Judges 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Judges 7:1", "text": "Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin\u2019 ny loharano Haroda; ary ny tobin\u2019 ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan\u2019 ny havoana More. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Judges 7:2", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-t\u00e0nany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Judges 7:3", "text": "Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan\u2019 ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Judges 7:4", "text": "Fa hoy Jehovah tamin\u2019 i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin\u2019 ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Judges 7:5", "text": "Ary dia nampidinin\u2019 i Gideona ho eo amin\u2019 ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin\u2019 ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atok\u00e0ny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atok\u00e0ny koa. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Judges 7:6", "text": "Ary telon-jato lahy no isan\u2019 izay nanainga ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Judges 7:7", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin\u2019 ny fonenany avy. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Judges 7:8", "text": "Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-t\u00e0nany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin\u2019 ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin\u2019 ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Judges 7:9", "text": "Ary tamin\u2019 izany alina izany dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Gideona: Mitsang\u00e0na, mid\u00ecna ho any amin\u2019 ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Judges 7:10", "text": "Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin\u2019 ny toby Pora zatovonao; " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Judges 7:11", "text": "dia ho renao izay lazain\u2019 ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin\u2019 ny toby. Dia nidina niaraka tamin\u2019 i Pora zatovony izy ho any an-tsisin\u2019 ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin\u2019 ny toby. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Judges 7:12", "text": "Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Judges 7:13", "text": "Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin\u2019 ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin\u2019 ny tobin\u2019 ny Mid\u00ecna ka nankamin\u2019 ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Judges 7:14", "text": "Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr\u2019 i Gideona, zanak\u2019 i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr\u2019 Andriamanitra eo an-t\u00e0nany ny Midiana sy ny toby rehetra. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Judges 7:15", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Gideona ny fil\u00e0zany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin\u2019 ny tobin\u2019 ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsang\u00e0na, fa efa natolotr\u2019 i Jehovah eo an-tananareo ny tobin\u2019 ny Midiana. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Judges 7:16", "text": "Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-t\u00e0nany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin\u2019 ny siny. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Judges 7:17", "text": "Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin\u2019 ny sisin\u2019 ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Judges 7:18", "text": "Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An\u2019 i Jehovah sy Gideona! " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Judges 7:19", "text": "Dia nankany amin\u2019 ny sisin\u2019 ny toby tamin\u2019 ny fiandohan\u2019 ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Judges 7:20", "text": "Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-t\u00e0nany ankavia ary ny anjomara teny an-t\u00e0nany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr\u2019 i Jehovah sy Gideona! " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Judges 7:21", "text": "Ary samy nijanona teo amin\u2019 ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Judges 7:22", "text": "Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny sabatra ny miaramila eran\u2019 ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Abela-mehola akaiky an\u2019 i Tabata. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Judges 7:23", "text": "Dia nivory ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely avy tamin\u2019 ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Judges 7:24", "text": "Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan\u2019 i Efraima rehetra ka nanao hoe: Mid\u00ecna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Judges 7:25", "text": "Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin\u2019 ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin\u2019 ny vatolampin\u2019 i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin\u2019 ny famiazam-boalobok\u2019 i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan\u2019 i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin\u2019 i Gideona tany an-dafin\u2019 i Jordana. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Judges 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Judges 8:1", "text": "Ary hoy ny lehilahy amin\u2019 ny Efraima tamin\u2019 i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin\u2019 ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Judges 8:2", "text": "Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin\u2019 izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok\u2019 i Efraima noho ny fiotazam-boalobok\u2019 i Abiezera? " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Judges 8:3", "text": "Teo an-tananareo no nanoloran\u2019 Andriamanitra ny andrianan\u2019 ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin\u2019 ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran\u2019 ireo taminy. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Judges 8:4", "text": "Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Judges 8:5", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny mponina tao Sokota: Mas\u00ecna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an\u2019 i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan\u2019 ny Midiana. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Judges 8:6", "text": "Fa hoy ireo andrianan\u2019 i Sokota: Moa efa voahazon\u2019 ny tananao ankehitriny va ny t\u00e0nan\u2019 i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao? " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Judges 8:7", "text": "Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr\u2019 i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin\u2019 ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Judges 8:8", "text": "Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin\u2019 ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin\u2019 ny mponina tao Sokota ihany. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Judges 8:9", "text": "Dia niteny tamin\u2019 ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Judges 8:10", "text": "Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin\u2019 ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin\u2019 ny miaramila rehetra an\u2019 ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Judges 8:11", "text": "Ary Gideona niakatra tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpitoetra an-day, atsinanan\u2019 i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Judges 8:12", "text": "Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin\u2019 ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Judges 8:13", "text": "Dia niverina avy tamin\u2019 ny ady Gideona, zanak\u2019 i Joasy, avy teo amin\u2019 ny fiakarana Heresa; " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Judges 8:14", "text": "ary nisambotra zatovo tamin\u2019 ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan\u2019 ilay zatovo ny anaran\u2019 ireo andrianan\u2019 i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Judges 8:15", "text": "Ary Gideona dia nankany amin\u2019 ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon\u2019 ny tananao ankehitriny va ny t\u00e0nan\u2019 i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka? " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Judges 8:16", "text": "Dia naka ny loholona tao an-tan\u00e0na izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Judges 8:17", "text": "Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tan\u00e0na. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Judges 8:18", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak\u2019 andriana avokoa izy rehetra. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Judges 8:19", "text": "Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Judges 8:20", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 i Jatera lahimatoany: Mitsang\u00e0na, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Judges 8:21", "text": "Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an\u2019 i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin\u2019 ny vozon\u2019 ny ramevany. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Judges 8:22", "text": "Dia hoy ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Midiana ianao. " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "Judges 8:23", "text": "Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "Judges 8:24", "text": "Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin\u2019 ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita). " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "Judges 8:25", "text": "Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin\u2019 ny babony teo. " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "Judges 8:26", "text": "Ary ny lanjan\u2019 ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin\u2019 ireo mpanjakan\u2019 ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin\u2019 ny vozon\u2019 ny ramevany. " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "Judges 8:27", "text": "Dia nataon\u2019 i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tan\u00e0nany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin\u2019 i Gideona sy ny ankohonany izany. " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "Judges 8:28", "text": "Dia resy teo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin\u2019 ny andron\u2019 i Gideona. " }, { "verse": 29, "chapter": 8, "name": "Judges 8:29", "text": "Dia nandeha Jerobala, zanak\u2019 i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. " }, { "verse": 30, "chapter": 8, "name": "Judges 8:30", "text": "Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 8, "name": "Judges 8:31", "text": "Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka. " }, { "verse": 32, "chapter": 8, "name": "Judges 8:32", "text": "Dia maty Gideona, zanak\u2019 i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin\u2019 ny fasan\u2019 i Joasy rainy tao Ofran\u2019 ny Abiezrita izy. " }, { "verse": 33, "chapter": 8, "name": "Judges 8:33", "text": "Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao an\u2019 i Bala-berita ho andriamaniny. " }, { "verse": 34, "chapter": 8, "name": "Judges 8:34", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely tsy nahatsiaro an\u2019 i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalony rehetra nanodidina, " }, { "verse": 35, "chapter": 8, "name": "Judges 8:35", "text": "sady tsy nanao soa tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon\u2019 i Gideona tamin\u2019 ny Isiraely, izy. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Judges 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Judges 9:1", "text": " Ary Abimeleka, zanak\u2019 i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin\u2019 ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin\u2019 izay rehetra isan\u2019 ny fianakavian-dreniny nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Judges 9:2", "text": "Mba mitenena ianareo eo anatrehan\u2019 ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan\u2019 izy fito-polo lahy zanak\u2019 i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan\u2019 ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Judges 9:3", "text": "Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan\u2019 ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon\u2019 ireo dia ta-hanaraka an\u2019 i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Judges 9:4", "text": "Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon\u2019 i Bala-berita izy, ary nanambazan\u2019 i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Judges 9:5", "text": "Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak\u2019 i Jerobala, teo ambonin\u2019 ny vato iray; ary Jotama, faralahin\u2019 i Jerobala, no sisa velona, satria niery izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Judges 9:6", "text": "Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an\u2019 i Abimeleka teo anilan\u2019 ny hazo terebinta, akaikin\u2019 ny tsangambato any Sekema. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Judges 9:7", "text": "Ary nisy nilaza izany tamin\u2019 i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan\u2019 Andriamanitra anareo kosa. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Judges 9:8", "text": "Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin\u2019 ny oliva: Manjaka aminay ianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Judges 9:9", "text": "Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan\u2019 ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina er\u1ef3 ambony hazo aho? " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Judges 9:10", "text": "Ary hoy ny hazo tamin\u2019 ny aviavy: Avia ianao ka manjak\u00e0 aminay. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Judges 9:11", "text": "Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina er\u1ef3 ambony hazo aho? " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Judges 9:12", "text": "Dia hoy ny hazo tamin\u2019 ny voaloboka: Avia ianao, ka manjak\u00e0 aminay. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Judges 9:13", "text": "Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an\u2019 Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina er\u1ef3 ambony hazo aho? " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Judges 9:14", "text": "Ary hoy ny hazo rehetra tamin\u2019 ny tsilo: Avia ianao, ka manjak\u00e0 aminay. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Judges 9:15", "text": "Fa hoy ny tsilo tamin\u2019 ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin\u2019 ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin\u2019 ny tsilo ka handevona ny sederan\u2019 i Libanona. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Judges 9:16", "text": "Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin\u2019 ny nampanjakanareo an\u2019 i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin\u2019 i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon\u2019 ny t\u00e0nany izy " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Judges 9:17", "text": "(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Midiana; " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Judges 9:18", "text": "nefa ianareo kosa niodina tamin\u2019 ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin\u2019 ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin\u2019 ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy), " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Judges 9:19", "text": "koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin\u2019 i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin\u2019 i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Judges 9:20", "text": "Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin\u2019 i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin\u2019 ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an\u2019 i Abimeleka. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Judges 9:21", "text": "Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an\u2019 i Abimeleka rahalahiny. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Judges 9:22", "text": "Ary rehefa nanapaka telo taona tamin\u2019 ny Isiraely Abimeleka, " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Judges 9:23", "text": "Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin\u2019 i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an\u2019 i Abimeleka, " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Judges 9:24", "text": "mba hitsingerenan\u2019 ny loza natao tamin\u2019 ny namonoana ny zanak\u2019 i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an\u2019 i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny t\u00e0nany hamono ny rahalahiny. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Judges 9:25", "text": "Ary nanaovan\u2019 ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin\u2019 ny otrika izay rehetra nandalo tamin\u2019 izany lalana izany; ary nolazaina tamin\u2019 i Abimeleka izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Judges 9:26", "text": "Dia tonga tao Gala, zanak\u2019 i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Judges 9:27", "text": "Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon\u2019 ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an\u2019 i Abimeleka. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "Judges 9:28", "text": "Ary hoy Gala, zanak\u2019 i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak\u2019 i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak\u2019 i Hamora, rain\u2019 i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika? " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "Judges 9:29", "text": "Ary enga anie ka ho eo ambanin\u2019 ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin\u2019 i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha. " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "Judges 9:30", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Zebola, komandin\u2019 ny tan\u00e0na, ny tenin\u2019 i Gala, zanak\u2019 i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany. " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "Judges 9:31", "text": "Dia naniraka olona mangingina tany amin\u2019 i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak\u2019 i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tan\u00e0na hiodina aminao izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 9, "name": "Judges 9:32", "text": "Koa ankehitriny, miaing\u00e0 alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha. " }, { "verse": 33, "chapter": 9, "name": "Judges 9:33", "text": "Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tan\u00e0na; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan\u2019 ny tananao. " }, { "verse": 34, "chapter": 9, "name": "Judges 9:34", "text": "Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin\u2019 i Sekema, " }, { "verse": 35, "chapter": 9, "name": "Judges 9:35", "text": "Dia nivoaka Gala, zanak\u2019 i Ebeda, ka nijanona teo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0na; dia niroatra avy tao am-panotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy. " }, { "verse": 36, "chapter": 9, "name": "Judges 9:36", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Gala ny olona, dia hoy izy tamin\u2019 i Zebola: Indreo, misy olona mid\u00ecna avy eny an-tampon\u2019 ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona. " }, { "verse": 37, "chapter": 9, "name": "Judges 9:37", "text": "Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin\u2019 ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin\u2019 ny lalana eo amin\u2019 ny hazo terebinta Meonenima. " }, { "verse": 38, "chapter": 9, "name": "Judges 9:38", "text": "Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy. " }, { "verse": 39, "chapter": 9, "name": "Judges 9:39", "text": "Dia nivoaka teo anoloan\u2019 ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin\u2019 i Abimeleka. " }, { "verse": 40, "chapter": 9, "name": "Judges 9:40", "text": "Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan\u2019 ny vavahady aza. " }, { "verse": 41, "chapter": 9, "name": "Judges 9:41", "text": "Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an\u2019 i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony. " }, { "verse": 42, "chapter": 9, "name": "Judges 9:42", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin\u2019 i Abimeleka izany, " }, { "verse": 43, "chapter": 9, "name": "Judges 9:43", "text": "Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tan\u00e0na; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy. " }, { "verse": 44, "chapter": 9, "name": "Judges 9:44", "text": "Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan\u2019 ny vavahadin-tan\u00e0na; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. " }, { "verse": 45, "chapter": 9, "name": "Judges 9:45", "text": "Ary Abimeleka namely ny tan\u00e0na mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tan\u00e0na ka namono ny olona tao; ary noravany ny tan\u00e0na sady nofafazany sira. " }, { "verse": 46, "chapter": 9, "name": "Judges 9:46", "text": "Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin\u2019 ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin\u2019 ny efi-trano fierena tao an-tranon\u2019 i Berita andriamaniny izy. " }, { "verse": 47, "chapter": 9, "name": "Judges 9:47", "text": "Ary nolazaina tamin\u2019 i Abimeleka fa tafangona tao amin\u2019 ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra. " }, { "verse": 48, "chapter": 9, "name": "Judges 9:48", "text": "Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-t\u00e0nany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin\u2019 ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo. " }, { "verse": 49, "chapter": 9, "name": "Judges 9:49", "text": "Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an\u2019 i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin\u2019 ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin\u2019 ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany. " }, { "verse": 50, "chapter": 9, "name": "Judges 9:50", "text": "Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin\u2019 i Tebeza ka nahafaka azy. " }, { "verse": 51, "chapter": 9, "name": "Judges 9:51", "text": "Fa nisy tilikambo mafy tao anatin\u2019 ny tan\u00e0na, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tan\u00e0na ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon\u2019 ny tilikambo izy. " }, { "verse": 52, "chapter": 9, "name": "Judges 9:52", "text": "Ary Abimeleka nankany amin\u2019 ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran\u2019 ny tilikambo izy handoro azy amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 53, "chapter": 9, "name": "Judges 9:53", "text": "Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin\u2019 ny lohan\u2019 i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany. " }, { "verse": 54, "chapter": 9, "name": "Judges 9:54", "text": "Dia nantsoin\u2019 i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan\u2019 ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy. " }, { "verse": 55, "chapter": 9, "name": "Judges 9:55", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin\u2019 ny fonenany avy izy. " }, { "verse": 56, "chapter": 9, "name": "Judges 9:56", "text": "Izany no namalian\u2019 Andriamanitra ny ratsy nataon\u2019 i Abimeleka, izay efa nataony tamin\u2019 ny rainy tamin\u2019 ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy. " }, { "verse": 57, "chapter": 9, "name": "Judges 9:57", "text": "Ary ny ratsy rehetra nataon\u2019 ny mponina tao Sekema dia natsingerin\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon\u2019 i Jotama, zanak\u2019 i Jerobala. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Judges 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Judges 10:1", "text": " Ary taorian\u2019 i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak\u2019 i Dodo, lehilahy avy tamin\u2019 ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Judges 10:2", "text": "Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Judges 10:3", "text": "Ary nitsangana nandimby azy Ja\u00efra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Judges 10:4", "text": "Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tan\u00e0na telo-polo any amin\u2019 ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-ja\u00efra mandraka androany ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Judges 10:5", "text": "Dia maty Ja\u00efra ka nalevina tany Kamona. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Judges 10:6", "text": " Ary ny Zanak\u2019 Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr\u2019 i Syria sy ny andriamanitr\u2019 i Sidona sy ny andriamanitr\u2019 i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak\u2019 i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an\u2019 i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Judges 10:7", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 ny Isiraely ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Filistina sy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona Izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Judges 10:8", "text": "Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak\u2019 Isiraely ireo tamin\u2019 izany taona izany: valo ambin\u2019 ny folo taona no nampahoriany ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, izay tany an-dafin\u2019 i Jordana, tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Amorita any Gileada. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Judges 10:9", "text": "Ary nita an\u2019 i Jordana ny taranak\u2019 i Amona mba hiady koa amin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak\u2019 i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Judges 10:10", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an\u2019 Andriamanitray ka nanompo ireo Bala. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Judges 10:11", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak\u2019 i Amona ary ny Filistina va Aho? " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Judges 10:12", "text": "Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin\u2019 ny t\u00e0nany. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Judges 10:13", "text": "Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Judges 10:14", "text": "Mandehana, ka mitaraina amin\u2019 ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin\u2019 ny andron\u2019 ny fahantranareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Judges 10:15", "text": "Ary hoy ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Judges 10:16", "text": "Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an\u2019 i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Judges 10:17", "text": " Dia nivory ny taranak\u2019 i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak\u2019 Isiraely ka nitoby tany Mizpa. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Judges 10:18", "text": "Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan\u2019 i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona? dia ho lohany amin\u2019 ny mponina rehetra any Gileada izy. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Judges 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Judges 11:1", "text": "Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Judges 11:2", "text": "Ary ny vadin\u2019 i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an\u2019 i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin\u2019 ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Judges 11:3", "text": "Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin\u2019 ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin\u2019 i Jefta ka niaraka taminy. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Judges 11:4", "text": "Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak\u2019 Isiraely ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Judges 11:5", "text": "Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak\u2019 i Amona, dia nandeha ny loholon\u2019 i Gileada haka an\u2019 i Jefta hiala any amin\u2019 ny tany Toba. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Judges 11:6", "text": "Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Judges 11:7", "text": "Fa hoy Jefta tamin\u2019 ny loholon\u2019 i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon\u2019 ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana? " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Judges 11:8", "text": "Dia hoy ny loholon\u2019 i Gileada tamin\u2019 i Jefta: Izany no iverenanay at\u1ef3 aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Judges 11:9", "text": "Dia hoy Jefta tamin\u2019 ny loholon\u2019 i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, ka hatolotr\u2019 i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo? " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Judges 11:10", "text": "Dia hoy ny loholon\u2019 i Gileada tamin\u2019 i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Judges 11:11", "text": "Dia nandeha Jefta niaraka tamin\u2019 ny loholon\u2019 i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan\u2019 i Jehovah tao Mizpa. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Judges 11:12", "text": "Dia naniraka olona Jefta nankamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga at\u1ef3 amiko hiady amin\u2019 ny taniko ianao? " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Judges 11:13", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona tamin\u2019 ny irak\u2019 i Jefta: Satria nalain\u2019 ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin\u2019 ny fihavanana ary izany ankehitriny. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Judges 11:14", "text": "Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin\u2019 ny mpanakan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Judges 11:15", "text": "ka nanao taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin\u2019 i Moaba na ny tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Judges 11:16", "text": "Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin\u2019 ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Judges 11:17", "text": "Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan\u2019 i Edoma. Ary naniraka tany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Judges 11:18", "text": "Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan\u2019 i Moaba, ka nitoby teo an-dafin\u2019 i Arnona, fa tsy niditra teo anatin\u2019 ny faritanin\u2019 i Moaba; fa Arnona no fari-tanin\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Judges 11:19", "text": "Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, izay mpanjakan\u2019 i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin\u2019 ny fonenanay. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Judges 11:20", "text": "Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "Judges 11:21", "text": "Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an\u2019 i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-t\u00e0nan\u2019 ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon\u2019 ny Isiraely ny tanin\u2019 ny Amorita rehetra, mponina tany amin\u2019 izany tany izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "Judges 11:22", "text": "Dia nahazo ny tanin\u2019 ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin\u2019 ny efitra ka hatrany Jordana. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "Judges 11:23", "text": "Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan\u2019 ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany? " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "Judges 11:24", "text": "Moa tsy hotananao izay tany omen\u2019 i Kemosy andriamanitrao anao va? At\u1ef3 izay tany rehetra omen\u2019 i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "Judges 11:25", "text": "Moa tsara noho Balaka, zanak\u2019 i Zipora, mpanjakan\u2019 i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy? " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "Judges 11:26", "text": "Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin\u2019 ny tan\u00e0na rehetra eny amoron\u2019 i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin\u2019 izany andro izany? " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "Judges 11:27", "text": "Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko; " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "Judges 11:28", "text": "Nefa tsy nohenoin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona ny tenin\u2019 i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy. " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "Judges 11:29", "text": "Ary tonga tao amin\u2019 i Jefta ny Fanahin\u2019 i Jehovah, dia nandeha nitety an\u2019 i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an\u2019 i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "Judges 11:30", "text": "Ary Jefta nivoady tamin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak\u2019 i Amona, " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "Judges 11:31", "text": "dia ho an\u2019 i Jehovah Izay mivoaka amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany. " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "Judges 11:32", "text": "Dia nandeha Jefta nankany amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona hiady aminy: ary natolotr\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nany ireo. " }, { "verse": 33, "chapter": 11, "name": "Judges 11:33", "text": "Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin\u2019 i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tan\u00e0na roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 34, "chapter": 11, "name": "Judges 11:34", "text": "Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy. " }, { "verse": 35, "chapter": 11, "name": "Judges 11:35", "text": "Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin\u2019 i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony. " }, { "verse": 36, "chapter": 11, "name": "Judges 11:36", "text": "Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada \u00f4, raha niloa-bava tamin\u2019 i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak\u2019 i Amona fahavalonao ho anao. " }, { "verse": 37, "chapter": 11, "name": "Judges 11:37", "text": "Dia hoy koa izy tamin\u2019 ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin\u2019 ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin\u2019 ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory. " }, { "verse": 38, "chapter": 11, "name": "Judges 11:38", "text": "Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin\u2019 ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory. " }, { "verse": 39, "chapter": 11, "name": "Judges 11:39", "text": "Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin\u2019 ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin\u2019 ny Isiraely " }, { "verse": 40, "chapter": 11, "name": "Judges 11:40", "text": "ny fandehanan\u2019 ny zazavavin\u2019 ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin\u2019 i Jefta Gileadita hefarana isan-taona. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Judges 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Judges 12:1", "text": " Ary nivory ny lehilahy amin\u2019 ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin\u2019 i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin\u2019 ny afo ny tranonao sy ianao. " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Judges 12:2", "text": "Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin\u2019 ny t\u00e0nany ianareo. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Judges 12:3", "text": "Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, ary natolotr\u2019 i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra at\u1ef3 amiko anio hila ady amiko? " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Judges 12:4", "text": "Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Gileada ka niady tamin\u2019 ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin\u2019 ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin\u2019 ny Efraima ao amin\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima sy Manase. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Judges 12:5", "text": "Dia novonjen\u2019 ny Gileada ny fit\u00e0na any Jordana mankany amin\u2019 ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin\u2019 ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin\u2019 ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia, " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Judges 12:6", "text": "dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin\u2019 ny fit\u00e0na ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Judges 12:7", "text": "Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin\u2019 ny tanana anankiray any Gileada. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Judges 12:8", "text": " Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an\u2019 i Jefta. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Judges 12:9", "text": "Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an\u2019 ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Judges 12:10", "text": "Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Judges 12:11", "text": "Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Judges 12:12", "text": "Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Zebolona. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Judges 12:13", "text": "Ary Abdona, zanak\u2019 i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Judges 12:14", "text": "Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Judges 12:15", "text": "Dia maty Abdona, zanak\u2019 i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Efraima any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 ny Amalekita. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Judges 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Judges 13:1", "text": " Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah indray, ka dia natolotr\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nan\u2019 ny Filistina efa-polo taona izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Judges 13:2", "text": "Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin\u2019 ny fokon\u2019 ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Judges 13:3", "text": "Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan\u2019 anaka ianao ka hiteraka zazalahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Judges 13:4", "text": "Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Judges 13:5", "text": "Fa, indro, hanan\u2019 anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an\u2019 Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Judges 13:6", "text": "Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin\u2019 ny vadiny hoe: Nisy lehilahin\u2019 Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Judges 13:7", "text": "Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan\u2019 anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an\u2019 Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Judges 13:8", "text": "Ary Manoa nangataka tamin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo \u00f4, aoka hankat\u1ef3 aminay indray ny lehilahin\u2019 Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Judges 13:9", "text": "Ary Andriamanitra nihaino ny feon\u2019 i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Judges 13:10", "text": "Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin\u2019 ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin\u2019 ilay indray andro. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Judges 13:11", "text": "Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Judges 13:12", "text": "Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany? " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Judges 13:13", "text": "Ary hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Judges 13:14", "text": "Izay rehetra avy amin\u2019 ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Judges 13:15", "text": "Ary hoy Manoa tamin\u2019 Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak\u2019 osy ho Anao. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Judges 13:16", "text": "Dia hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin\u2019 ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr\u2019 i Manoa ho Anjelin\u2019 i Jehovah Izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Judges 13:17", "text": "Dia hoy Manoa tamin\u2019 Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao? " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Judges 13:18", "text": "Ary hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Judges 13:19", "text": "Dia naka ny zanak\u2019 osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin\u2019 ny vatolampy ho an\u2019 i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "Judges 13:20", "text": "Ary raha niakatra ho amin\u2019 ny lanitra ny lelafo avy teo amin\u2019 ny alitara, dia niakatra teo anatin\u2019 ny lelafo avy teo amin\u2019 ny alitara Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "Judges 13:21", "text": "Ary tsy niseho tamin\u2019 i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah; dia fantatr\u2019 i Manoa fa Anjelin\u2019 i Jehovah Izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "Judges 13:22", "text": "Ary hoy Manoa tamin\u2019 ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "Judges 13:23", "text": "Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak\u2019 i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin\u2019 ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "Judges 13:24", "text": "Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "Judges 13:25", "text": "Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin\u2019 i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan\u2019 i Zora sy Estaola. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Judges 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Judges 14:1", "text": " Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Judges 14:2", "text": "Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Judges 14:3", "text": "Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin\u2019 ny zana-kavanao, na ato amin\u2019 ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin\u2019 ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Judges 14:4", "text": "Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin\u2019 i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin\u2019 ny Filistina Izy; fa tamin\u2019 izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Judges 14:5", "text": "Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin\u2019 ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Judges 14:6", "text": "Dia nilatsaka tamin\u2019 i Samsona ny Fanahin\u2019 i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak\u2019 osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-t\u00e0nany; ary tsy nambarany tamin\u2019 ny rainy na tamin\u2019 ny reniny izay efa nataony. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Judges 14:7", "text": "Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an\u2019 i Samsona izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Judges 14:8", "text": "Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin\u2019 ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin\u2019 ilay fatin\u2019 ny liona. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Judges 14:9", "text": "Ary nalain\u2019 i Samsona izany ka nentiny teny an-t\u00e0nany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin\u2019 ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin\u2019 ny fatin\u2019 ilay liona no nangalany ny tantely. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Judges 14:10", "text": "Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain\u2019 i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon\u2019 ny zatovo. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Judges 14:11", "text": "Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Judges 14:12", "text": "Ary hoy Samsona tamin\u2019 ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin\u2019 ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Judges 14:13", "text": "Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Judges 14:14", "text": "Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin\u2019 ny mpihinana no nivoahan\u2019 ny hanina; Ary avy tao amin\u2019 ny mahery no nivoahan\u2019 ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin\u2019 ny hateloana. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Judges 14:15", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahafito, dia hoy izy tamin\u2019 ny vadin\u2019 i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin\u2019 ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "Judges 14:16", "text": "Ary ny vadin\u2019 i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin\u2019 ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako? " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "Judges 14:17", "text": "Dia nitomany teo anatrehany tamin\u2019 ny hafitoana izay nisian\u2019 ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin\u2019 ny andro fahafito dia nolazain\u2019 i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin\u2019 ny zanaky ny fireneny. " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "Judges 14:18", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tan\u00e0na tamin\u2019 i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "Judges 14:19", "text": "Dia nilatsaka tamin\u2019 i Samsona ny Fanahin\u2019 i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian\u2019 ireo ka nomeny ho an\u2019 izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran\u2019 i Samsona, ka niakatra nankany amin\u2019 ny tranon-drainy izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "Judges 14:20", "text": "Ary ny vadiny dia lasan\u2019 ny namany, izay efa nataony sakaizany. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Judges 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Judges 15:1", "text": "Ary nony afaka kelikely, tamin\u2019 ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak\u2019 osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin\u2019 ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany, " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Judges 15:2", "text": "fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an\u2019 ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Mas\u00ecna ianao, aoka izy halainao ho solony. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Judges 15:3", "text": "Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Judges 15:4", "text": "Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon\u2019 ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan\u2019 ny rambony ilay hatao fanilo. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Judges 15:5", "text": "Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin\u2019 ny varin\u2019 ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Judges 15:6", "text": "Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton\u2019 ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an\u2019 ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Judges 15:7", "text": "Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Judges 15:8", "text": "Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak\u2019 ilay harambato mitresaka any Etama. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Judges 15:9", "text": "Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin\u2019 ny Joda ka niely tany Lehy. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Judges 15:10", "text": "Ary hoy ny lehilahy amin\u2019 ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an\u2019 i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Judges 15:11", "text": "Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin\u2019 ny Joda nankany amin\u2019 ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin\u2019 i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Judges 15:12", "text": "Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Judges 15:13", "text": "Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-t\u00e0nany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin\u2019 ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin\u2019 ilay harambato. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Judges 15:14", "text": "Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin\u2019 i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin\u2019 ny afo ny mahazaka teny amin\u2019 ny sandriny ary afaka tamin\u2019 ny t\u00e0nany ny fatorana. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Judges 15:15", "text": "Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny t\u00e0nany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Judges 15:16", "text": "Ary hoy Samsona: Tamin\u2019 ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin\u2019 ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Judges 15:17", "text": "Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-t\u00e0nany; ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Judges 15:18", "text": "Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny tsy mifora! " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Judges 15:19", "text": "Dia nampitresahin\u2019 Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Judges 15:20", "text": "Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin\u2019 ny andron\u2019 ny Filistina izy. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Judges 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Judges 16:1", "text": " Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Judges 16:2", "text": "Ary nolazaina tamin\u2019 ny Gazita hoe: Tonga at\u1ef3 Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin\u2019 ny tan\u00e0na ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Judges 16:3", "text": "Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0na mbamin\u2019 ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin\u2019 ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon\u2019 ny tendrombohitra izay tandrifin\u2019 i Hebrona. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Judges 16:4", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Judges 16:5", "text": "Ary ireo andrianan\u2019 ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran\u2019 ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Judges 16:6", "text": "Dia hoy Delila tamin\u2019 i Samsona: Mas\u00ecna ianao, lazao amiko izay itoeran\u2019 ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Judges 16:7", "text": "Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Judges 16:8", "text": "Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan\u2019 ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin\u2019 ireny ravehivavy. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Judges 16:9", "text": "Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an\u2019 efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin\u2019 i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton\u2019 ny taretra rongony, raha lelafin\u2019 ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Judges 16:10", "text": "Ary hoy Delila tamin\u2019 i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, mas\u00ecna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Judges 16:11", "text": "Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "Judges 16:12", "text": "Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an\u2019 efi-trano. Dia notosan\u2019 i Samsona ho afaka amin\u2019 ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton\u2019 ny taretra. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "Judges 16:13", "text": "Dia hoy Delila tamin\u2019 i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin\u2019 ny tenona ny foto-bolo fito amin\u2019 ny lohako. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "Judges 16:14", "text": "Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin\u2019 ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "Judges 16:15", "text": "Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran\u2019 ny herinao lehibe. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "Judges 16:16", "text": "Ary rehefa nitorikisina taminy isan\u2019 andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina. " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "Judges 16:17", "text": "Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an\u2019 Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra, " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "Judges 16:18", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan\u2019 ny Filistina nanao hoe: Miakara amin\u2019 izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Ary ireo andrianan\u2019 ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-t\u00e0nany. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "Judges 16:19", "text": "Ary ravehivavy nanondana an\u2019 i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin\u2019 ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "Judges 16:20", "text": "Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin\u2019 ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "Judges 16:21", "text": "Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin\u2019 ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "Judges 16:22", "text": "Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra. " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "Judges 16:23", "text": "Ary nivory ireo andrianan\u2019 ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an\u2019 i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika. " }, { "verse": 24, "chapter": 16, "name": "Judges 16:24", "text": "Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika. " }, { "verse": 25, "chapter": 16, "name": "Judges 16:25", "text": "Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an\u2019 i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan\u2019 ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan\u2019 ny andry izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 16, "name": "Judges 16:26", "text": "Ary hoy Samsona tamin\u2019 ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy. " }, { "verse": 27, "chapter": 16, "name": "Judges 16:27", "text": "Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan\u2019 ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an\u2019 i Samsona nanao laolao. " }, { "verse": 28, "chapter": 16, "name": "Judges 16:28", "text": "Ary Samsona niantso an\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo \u00f4, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra \u00f4, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin\u2019 ny masoko roa. " }, { "verse": 29, "chapter": 16, "name": "Judges 16:29", "text": "Dia notanan\u2019 i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin\u2019 ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin\u2019 ny t\u00e0nany ankavia, ka niankina teo izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 16, "name": "Judges 16:30", "text": "Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin\u2019 ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin\u2019 ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin\u2019 ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin\u2019 ny andro niainany. " }, { "verse": 31, "chapter": 16, "name": "Judges 16:31", "text": "Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan\u2019 i Zora sy Estaola tao amin\u2019 ny fasan\u2019 i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Judges 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Judges 17:1", "text": " Nisy lehilahy tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, Mika no anarany. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Judges 17:2", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin\u2019 i Jehovah anie ny zanako. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Judges 17:3", "text": "Ary rehefa naveriny tamin\u2019 ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an\u2019 i Jehovah mihitsy ity vola avy amin\u2019 ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Judges 17:4", "text": "Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon\u2019 i Mika izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Judges 17:5", "text": "Ary nanana tranon\u2019 andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Judges 17:6", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin\u2019 ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Judges 17:7", "text": "Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin\u2019 ny fokon\u2019 i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Judges 17:8", "text": "Ary ralehilahy niala tao an-tan\u00e0na Betlehema-joda hivahiny any amin\u2019 izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima tao an-tranon\u2019 i Mika. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Judges 17:9", "text": "Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin\u2019 izay azoko hitoerana. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Judges 17:10", "text": "Dia hoy Mika taminy: Mitoera at\u1ef3 amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Judges 17:11", "text": "Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Judges 17:12", "text": "Dia natokan\u2019 i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon\u2019 i Mika. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Judges 17:13", "text": "Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Judges 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Judges 18:1", "text": " Ary tamin\u2019 izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019 ny Isiraely; ary tamin\u2019 izany andro izany kosa ny firenen\u2019 i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin\u2019 izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Judges 18:2", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin\u2019 ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima tao an-tranon\u2019 i Mika izy, dia nandry tao. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Judges 18:3", "text": "Rehefa mby teo akaikin\u2019 ny tranon\u2019 i Mika izy, dia fantany ny feon\u2019 ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tat\u1ef3? ary maninona at\u1ef3 ianao? ary inona no anananao at\u1ef3? " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Judges 18:4", "text": "Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon\u2019 i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Judges 18:5", "text": "Dia hoy izy ireo taminy: Mas\u00ecna ianao, manontania amin\u2019 Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin\u2019 ny lalana alehanay izahay, na tsia. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Judges 18:6", "text": "Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan\u2019 i Jehovah izao lalana alehanareo izao. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Judges 18:7", "text": "Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon\u2019 ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin\u2019 ny tany na amin\u2019 inona na amin\u2019 inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin\u2019 olona akory. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Judges 18:8", "text": "Dia nandeha ho any amin\u2019 ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo? " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Judges 18:9", "text": "Dia hoy izy: Mitsang\u00e0na, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Judges 18:10", "text": "Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin\u2019 ny olona tsy manana ahiahy sy any amin\u2019 ny tany malalaka; fa efa natolotr\u2019 Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina at\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Judges 18:11", "text": "Dia nisy niainga avy tamin\u2019 ny fokon\u2019 i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin\u2019 ny fiadiany. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Judges 18:12", "text": "Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran\u2019 izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan\u2019 i Kiriata-jearima izany). " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Judges 18:13", "text": "Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, dia tonga tao an-tranon\u2019 i Mika. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Judges 18:14", "text": "Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin\u2019 ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin\u2019 ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Judges 18:15", "text": "Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon\u2019 ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon\u2019 i Mika, ka niarahaba azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Judges 18:16", "text": "Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin\u2019 ny fiadiany, izay avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Dana, dia nijanona teo anoloan\u2019 ny vavahady. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Judges 18:17", "text": "Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin\u2019 ny enin-jato lahy efa voaomana tamin\u2019 ny fiadiany nijanona teo anoloan\u2019 ny vavahady. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Judges 18:18", "text": "Dia niditra tao an-tranon\u2019 i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo? " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Judges 18:19", "text": "Dia hoy ireo taminy: Mang\u00ecna ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an\u2019 ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin\u2019 ny firenena iray sy ny foko iray amin\u2019 ny Isiraely? " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Judges 18:20", "text": "Dia faly ny fon\u2019 ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin\u2019 ny olona izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Judges 18:21", "text": "Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman\u2019 ondry mbamin\u2019 ny entany tsara dia nataony teo alohany. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "Judges 18:22", "text": "Ary rehefa lasa lavitra ny tranon\u2019 i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin\u2019 i Mika ka nahatratra ny taranak\u2019 i Dana. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "Judges 18:23", "text": "Dia niantso ny taranak\u2019 i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin\u2019 i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao? " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "Judges 18:24", "text": "Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao? " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "Judges 18:25", "text": "Dia hoy ny taranak\u2019 i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao. " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "Judges 18:26", "text": "Dia nandeha tamin\u2019 ny nalehany ny taranak\u2019 i Dana; ary rehefa hitan\u2019 i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "Judges 18:27", "text": "Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon\u2019 i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin\u2019 ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin\u2019 ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tan\u00e0na nodorany tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "Judges 18:28", "text": "Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an\u2019 i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin\u2019 olona akory izy, sady teo amin\u2019 ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tan\u00e0na izy ireo ka nonina tao. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "Judges 18:29", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny tan\u00e0na nataony hoe Dana, araka ny anaran\u2019 i Dana rainy, izay naterak\u2019 Isiraely; kanefa Laisy no anaran\u2019 ny tan\u00e0na taloha. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "Judges 18:30", "text": "Dia natsangan\u2019 ny taranak\u2019 i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak\u2019 i Gersoma, zanak\u2019 i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an\u2019 ny firenen\u2019 i Dana hatramin\u2019 ny andro namaboana ny tany. " }, { "verse": 31, "chapter": 18, "name": "Judges 18:31", "text": "Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon\u2019 i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra tao Silo. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Judges 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Judges 19:1", "text": " Ary tamin\u2019 izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019 ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Judges 19:2", "text": "Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Judges 19:3", "text": "Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan\u2019 ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Judges 19:4", "text": "Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Judges 19:5", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin\u2019 ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Judges 19:6", "text": "Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Judges 19:7", "text": "Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Judges 19:8", "text": "Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin\u2019 ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan\u2019 ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Judges 19:9", "text": "Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa mas\u00ecna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian\u2019 ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Judges 19:10", "text": "Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin\u2019 izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin\u2019 i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Judges 19:11", "text": "Ary rehefa mby teo akaiky an\u2019 i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin\u2019 ny tompony: Andeha hiakatra ato amin\u2019 ity tan\u00e0nan\u2019 ny Jebosita ity isika ka handry ato. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Judges 19:12", "text": "Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny olona hafa firenena izay tsy isan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea. " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Judges 19:13", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny zatovony: Andeha isika hankamin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireto tan\u00e0na ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Judges 19:14", "text": "Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an\u2019 i Gibea, izay an\u2019 ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Judges 19:15", "text": "Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin\u2019 ny kianjan\u2019 ny tan\u00e0na; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Judges 19:16", "text": "Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin\u2019 izany tanana izany dia Benjamita. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Judges 19:17", "text": "Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan\u2019 ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza? " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Judges 19:18", "text": "Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankar\u1ef3 an-tsisin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon\u2019 i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy; " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Judges 19:19", "text": "kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an\u2019 ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an\u2019 ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Judges 19:20", "text": "Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Judges 19:21", "text": "Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "Judges 19:22", "text": "Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tan\u00e0na, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin\u2019 ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "Judges 19:23", "text": "Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, mas\u00ecna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "Judges 19:24", "text": "Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "Judges 19:25", "text": "Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain\u2019 ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 19, "name": "Judges 19:26", "text": "Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran\u2019 ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran\u2019 ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 27, "chapter": 19, "name": "Judges 19:27", "text": "Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran\u2019 ny trano, dia nivoaka handeha tamin\u2019 ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran\u2019 ny trano, ary ny tanany eo amin\u2019 ny tokonana. " }, { "verse": 28, "chapter": 19, "name": "Judges 19:28", "text": "Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsang\u00e0na, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin\u2019 ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin\u2019 ny fonenany. " }, { "verse": 29, "chapter": 19, "name": "Judges 19:29", "text": "Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin\u2019 ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin\u2019 ny taolana ho roa ambin\u2019 ny folo toko, ka nampitondrainy eran\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 30, "chapter": 19, "name": "Judges 19:30", "text": "Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin\u2019 ny andro niakaran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely avy tany amin\u2019 ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Judges 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Judges 20:1", "text": "Dia nivoaka ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin\u2019 i Jehovah tany Mizpa. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Judges 20:2", "text": "Ary ny loholona rehetra tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely niseho teo amin\u2019 ny fiangonan\u2019 ny olon\u2019 Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Judges 20:3", "text": "Ary ren\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak\u2019 Isiraely. Dia hoy ny Zanak\u2019 Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Judges 20:4", "text": "Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an\u2019 ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Judges 20:5", "text": "Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin\u2019 ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Judges 20:6", "text": "Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin\u2019 ny tany rehetra izay lovan\u2019 ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin\u2019 ny Isiraely ireo. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Judges 20:7", "text": "Koa indreto ianareo Zanak\u2019 Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Judges 20:8", "text": "Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin\u2019 ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Judges 20:9", "text": "Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin\u2019 i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "Judges 20:10", "text": "Ary haka folo lahy isan-jato amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra isika, dia zato amin\u2019 ny arivo, ary arivo amin\u2019 ny iray alina, mba haka vatsy ho an\u2019 ny olona, ka rehefa tonga any Gibean\u2019 ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin\u2019 ny Isiraely no hataony aminy. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "Judges 20:11", "text": "Dia nivory ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "Judges 20:12", "text": "Ary ny firenen\u2019 Isiraely dia naniraka olona tany amin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao? " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "Judges 20:13", "text": "Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin\u2019 ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak\u2019 i Benjamina tsy nety nihaino ny feon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rahalahiny. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "Judges 20:14", "text": "Ary nivory ny taranak\u2019 i Benjamina avy tamin\u2019 ny tan\u00e0nany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "Judges 20:15", "text": "Dia voalamina tamin\u2019 izany andro izany ny taranak\u2019 i Benjamina avy tamin\u2019 ireo tan\u00e0na ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "Judges 20:16", "text": "Ary teo amin\u2019 izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin\u2019 ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "Judges 20:17", "text": "Ary ny lehilahy voalamina tamin\u2019 ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "Judges 20:18", "text": "Dia niainga ny Zanak\u2019 Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin\u2019 Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "Judges 20:19", "text": "Dia niainga maraina koa ny Zanak\u2019 Isiraely ka nitoby tandrifin\u2019 i Gibea. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "Judges 20:20", "text": "Ary nivoaka ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely hiady amin\u2019 ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an\u2019 i Gibea. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "Judges 20:21", "text": "Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak\u2019 i Benjamina ka naharingana ny Zanak\u2019 Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin\u2019 ny tany tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "Judges 20:22", "text": "Fa nifanome toky ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin\u2019 ilay nilaharany tamin\u2019 ny andro voalohany. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "Judges 20:23", "text": "Ary niakatra ny Zanak\u2019 Isiraely ka nitomany teo anatrehan\u2019 i Jehovah mandra-paharivan\u2019 ny andro, dia nanontany tamin\u2019 i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy. " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "Judges 20:24", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely dia nandroso tamin\u2019 ny andro faharoa hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina. " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "Judges 20:25", "text": "Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin\u2019 ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak\u2019 Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin\u2019 ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo. " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "Judges 20:26", "text": "Dia niakatra ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan\u2019 i Jehovah ary nifady hanina tamin\u2019 izany andro izany mandra-paharivan\u2019 ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 20, "name": "Judges 20:27", "text": "Dia nanontany tamin\u2019 i Jehovah ny Zanak\u2019 Isiraely (fa tao ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 izany andro izany, " }, { "verse": 28, "chapter": 20, "name": "Judges 20:28", "text": "ary Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara, zanak\u2019 i Arona, nijanona teo anoloany tamin\u2019 izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 20, "name": "Judges 20:29", "text": "Ary nasian\u2019 ny Isiraely otrika manodidina an\u2019 i Gibea. " }, { "verse": 30, "chapter": 20, "name": "Judges 20:30", "text": "Dia niakatra ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny andro fahatelo hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina ka nilahatra tandrifin\u2019 i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany. " }, { "verse": 31, "chapter": 20, "name": "Judges 20:31", "text": "Dia nivoaka ny taranak\u2019 i Benjamina hiady tamin\u2019 ny olona ka voatarika niala tamin\u2019 ny tan\u00e0na izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin\u2019 ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha. " }, { "verse": 32, "chapter": 20, "name": "Judges 20:32", "text": "Ary hoy ny taranak\u2019 i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak\u2019 Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin\u2019 ny tan\u00e0na ho any an-dalambe. " }, { "verse": 33, "chapter": 20, "name": "Judges 20:33", "text": "Ary ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely nitsangana niala tamin\u2019 ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin\u2019 fitoerany, avy tao an-tsahan\u2019 i Gibea. " }, { "verse": 34, "chapter": 20, "name": "Judges 20:34", "text": "Ary tonga tandrifin\u2019 i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin\u2019 ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy. " }, { "verse": 35, "chapter": 20, "name": "Judges 20:35", "text": "Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan\u2019 ny Isiraely, ary tamin\u2019 izany andro izany ny taranak\u2019 i Benjamina dia nahafatesan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo. " }, { "verse": 36, "chapter": 20, "name": "Judges 20:36", "text": "Ary hitan\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely nanao tari-dositra tamin\u2019 ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin\u2019 i Gibea izy. " }, { "verse": 37, "chapter": 20, "name": "Judges 20:37", "text": "Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tan\u00e0na rehetra tamin\u2019 ny lelan-tsabatra. " }, { "verse": 38, "chapter": 20, "name": "Judges 20:38", "text": "Ary ny famantarana nifaneken\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan\u2019 afo lehibe hisavoana ao an-tan\u00e0na. " }, { "verse": 39, "chapter": 20, "name": "Judges 20:39", "text": "Ary nirona tamin\u2019 ny ady ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely (ny taranak\u2019 i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin\u2019 ny ady voalohany; " }, { "verse": 40, "chapter": 20, "name": "Judges 20:40", "text": "fa raha vao niakatra avy tao amin\u2019 ny tan\u00e0na ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak\u2019 i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin\u2019 ny lanitra avokoa ny setroky ny tan\u00e0na). " }, { "verse": 41, "chapter": 20, "name": "Judges 20:41", "text": "Ary raha niverina ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy. " }, { "verse": 42, "chapter": 20, "name": "Judges 20:42", "text": "Dia niamboho teo anoloan\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely hankany amin\u2019 ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin\u2019 ny tan\u00e0na koa dia novonoiny teo. " }, { "verse": 43, "chapter": 20, "name": "Judges 20:43", "text": "Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin\u2019 i Gibea atsinanany. " }, { "verse": 44, "chapter": 20, "name": "Judges 20:44", "text": "Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo. " }, { "verse": 45, "chapter": 20, "name": "Judges 20:45", "text": "Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin\u2019 ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy. " }, { "verse": 46, "chapter": 20, "name": "Judges 20:46", "text": "Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin\u2019 izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo. " }, { "verse": 47, "chapter": 20, "name": "Judges 20:47", "text": "Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin\u2019 ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana. " }, { "verse": 48, "chapter": 20, "name": "Judges 20:48", "text": "Ary ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely niverina indray tany amin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina ka namely azy tamin\u2019 ny lelan-tsabatra, hatramin\u2019 ny olona tao an-tan\u00e0na ka hatramin\u2019 ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin\u2019 ny afo avokoa. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Judges 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Judges 21:1", "text": "Ary ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin\u2019 ny Benjamita. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Judges 21:2", "text": "Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan\u2019 Andriamanitra mandra-paharivan\u2019 ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Judges 21:3", "text": "nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, nahoana no tonga tamin\u2019 ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin\u2019 ny Isiraely? " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Judges 21:4", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Judges 21:5", "text": "Ary hoy ny Zanak\u2019 Isiraely: Iza amin\u2019 ny ferenen\u2019 Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin\u2019 ny fiangonana hanatona an\u2019 i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin\u2019 izay tsy niakatra ho any amin\u2019 i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Judges 21:6", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nanenina ny amin\u2019 i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin\u2019 ny Isiraely ankehitriny. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Judges 21:7", "text": "Ahoana no hataontsika amin\u2019 ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin\u2019 i Jehovah tsy hanome vady azy amin\u2019 ny zanakavavintsika? " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Judges 21:8", "text": "Dia hoy izy: Iza amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin\u2019 i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin\u2019 ny fiangonana. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Judges 21:9", "text": "Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin\u2019 ny tompon-tany tany Jabesi-gileada. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Judges 21:10", "text": "Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin\u2019 ny lelan-tsabatra mbamin\u2019 ny zaza amim-behivavy. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Judges 21:11", "text": "Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Judges 21:12", "text": "Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin\u2019 ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin\u2019 ny tany Kanana. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Judges 21:13", "text": "Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina, izay tao amin\u2019 ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Judges 21:14", "text": "Dia niverina tamin\u2019 izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin\u2019 ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Judges 21:15", "text": "Ary ny olona nanenina noho ny amin\u2019 i Benjamina, satria nisy nobangain\u2019 i Jehovah ny firenen\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Judges 21:16", "text": "Dia hoy ny loholon\u2019 ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an\u2019 ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin\u2019 ny Benjamita? " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Judges 21:17", "text": "Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Judges 21:18", "text": "Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an\u2019 ny Benjamita. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Judges 21:19", "text": "Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an\u2019 i Jehovah any Silo, izay avaratr\u2019 i Betela, atsinanan\u2019 ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon\u2019 i Lebona. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Judges 21:20", "text": "Ary nandidy ny taranak\u2019 i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin\u2019 ny tanim-boaloboka, " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Judges 21:21", "text": "ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin\u2019 ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin\u2019 ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Benjamina indray. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Judges 21:22", "text": "Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin\u2019 ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo. " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Judges 21:23", "text": "Dia nanao izany ny taranak\u2019 i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin\u2019 ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin\u2019 ny lovany ary namboatra ireo tan\u00e0na ireo ka nonina tao. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "Judges 21:24", "text": "Dia samy nandeha niala teo ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 izany andro izany, samy ho any amin\u2019 ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin\u2019 ny lovany avy ny olona rehetra. " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "Judges 21:25", "text": "Tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra. " } ] } ] }, { "name": "Ruth", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Ruth 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro nitsaran\u2019 ny mpitsara dia nisy mosary teo amin\u2019 ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin\u2019 ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin\u2019 ny zanany roa lahy; " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:2", "text": "Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran\u2019 ny vadiny, ary ny anaran\u2019 ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin\u2019 ny tany Moaba izy ka nitoetra tany. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:3", "text": "Ary maty Elimeleka, vadin\u2019 i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:4", "text": "Ary naka vady tamin\u2019 ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran\u2019 ny anankiray, ary Rota no anaran\u2019 ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:5", "text": "Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:6", "text": "Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin\u2019 ny tany Moaba; fa efa reny tany amin\u2019 ny tany Moaba fa novangian\u2019 i Jehovah ny olony ka nomeny hanina. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:7", "text": "Dia niala tamin\u2019 izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:8", "text": "Ary hoy Naomy tamin\u2019 ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin\u2019 ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin\u2019 i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin\u2019 ny maty sy tamiko koa. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:9", "text": "Homen\u2019 i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin\u2019 izay tranon\u2019 ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:10", "text": "Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin\u2019 ny firenenao. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:11", "text": "Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo? " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:12", "text": "Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy, " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:13", "text": "moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:14", "text": "Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:15", "text": "Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin\u2019 ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:16", "text": "Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin\u2019 ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:17", "text": "izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon\u2019 i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:18", "text": "Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:19", "text": "Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tan\u00e0na rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity? " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:20", "text": "Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon\u2019 ny Tsitoha amiko. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:21", "text": "Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin\u2019 i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy? " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Ruth 1:22", "text": "Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy, nomba azy tamin\u2019 izy niverina avy tany amin\u2019 ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin\u2019 ny niandohan\u2019 ny taom-pijinjana ny vary hordea. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Ruth 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:1", "text": " Ary nisy havan\u2019 ny vadin\u2019 i Naomy avy amin\u2019 ny fokon\u2019 i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:2", "text": "Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin\u2019 i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian\u2019 izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:3", "text": "Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian\u2019 ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin\u2019 ny tanimbarin\u2019 i Boaza, izay avy amin\u2019 ny fokon\u2019 i Elimeleka, izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:4", "text": "Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin\u2019 ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:5", "text": "Dia hoy Boaza tamin\u2019 ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak\u2019 iza moa io zazavavy io? " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:6", "text": "Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an\u2019 i Naomy avy tany amin\u2019 ny tany Moaba io; " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:7", "text": "fa hoy izy: Mas\u00ecna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian\u2019 ny mpijinja eny anelanelan\u2019 ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin\u2019 ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:8", "text": "Dia hoy Boaza tamin\u2019 i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan\u2019 ny zatovovavy. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:9", "text": "Aoka ny masonao ho amin\u2019 ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin\u2019 ny siny, ka misotroa amin\u2019 izay antsakain\u2019 ny zatovo. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:10", "text": "Dia niondrika sy niankohoka tamin\u2019 ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho? " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:11", "text": "Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin\u2019 ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan\u2019 ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin\u2019 ny tany nahaterahanao sy nankanesanao at\u1ef3 amin\u2019 ny firenena tsy mbola fantatrao. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:12", "text": "Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin\u2019 ny elany ianao. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:13", "text": "Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin\u2019 ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin\u2019 ny zatovovavinao aza aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:14", "text": "Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa at\u1ef3, ka mihin\u00e0na mofo, ary atsobohy amin\u2019 ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan\u2019 ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:15", "text": "Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian\u2019 i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan\u2019 ny amboara aza, ka aza maninona azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:16", "text": "Ary asio latsadatsaka avy amin\u2019 ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza rar\u00e0na izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:17", "text": "Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan\u2019 ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:18", "text": "Dia nentiny izany, ka nankany an-tan\u00e0na izy, ary hitan\u2019 ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin\u2019 ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:19", "text": "Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin\u2019 ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran\u2019 ny lehilahy, izay tompon\u2019 ny tanimbary nitsimponako androany " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:20", "text": "Dia hoy Naomy tamin\u2019 ny vinantonivavy: Hotahin\u2019 i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin\u2019 ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan\u2019 izay mahavotra antsika izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:21", "text": "Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan\u2019 ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:22", "text": "Ary hoy Naomy tamin\u2019 i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin\u2019 ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Ruth 2:23", "text": "Ary izy tsy nety nisaraka tamin\u2019 ny zatovovavin\u2019 i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin\u2019 ny rafozani-vavy Izy. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Ruth 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:1", "text": " Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao? " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:2", "text": "Ary ankehitriny tsy isan\u2019 ny havantsika va Boaza, tompon\u2019 ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:3", "text": "Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia mid\u00ecna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:4", "text": "Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary mid\u00ecra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:5", "text": "Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:6", "text": "Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian\u2019 ny rafozani-vavy azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:7", "text": "Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin\u2019 ny faran\u2019 ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:8", "text": "Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:9", "text": "Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:10", "text": "Dia hoy izy: Hotahin\u2019 i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin\u2019 ny ato aoriana ianao noho ny tamin\u2019 ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:11", "text": "Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr\u2019 izay rehetra ao an-tan\u00e0nan\u2019 ny fireneko fa vehivavy tsara ianao. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:12", "text": "Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:13", "text": "Mitoera ihany at\u1ef3 anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha t\u00e0hiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany at\u1ef3 mandra-pahamarain\u2019 ny andro. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:14", "text": "Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain\u2019 ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr\u2019 olona fa tat\u1ef3 am-pamoloana ravehivavy. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:15", "text": "Dia hoy koa izy: Ento et\u1ef3 ny lamba itafianao, ka haz\u00f2ny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin\u2019 ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tan\u00e0na Boaza. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:16", "text": "Ary rehefa tonga tany amin\u2019 ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:17", "text": "Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin\u2019 ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin\u2019 ny rafozanao-vavy. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Ruth 3:18", "text": "Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan\u2019 ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Ruth 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:1", "text": " Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry \u00f4! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:2", "text": "Dia naka folo lahy tamin\u2019 ny loholona tao an-tan\u00e0na Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:3", "text": "Dia niteny tamin\u2019 Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin\u2019 ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an\u2019 i Elimeleka rahalahintsika. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:4", "text": "Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan\u2019 izay mipetraka eto sy eto anatrehan\u2019 ny loholona amin\u2019 ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha t\u00e0hiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:5", "text": "Dia hoy Boaza: Amin\u2019 izay andro ividiananao ny tany amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Naomy, dia amin\u2019 i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin\u2019 ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran\u2019 ny maty ao amin\u2019 ny lovany ianao. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:6", "text": "Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an\u2019 ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:7", "text": "Ary ny amin\u2019 ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin\u2019 ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin\u2019 ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an\u2019 ny namany; dia vavolombelona teo amin\u2019 ny Isiraely izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:8", "text": "Ary hoy ilay havana mahavotra tamin\u2019 i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:9", "text": "Ary hoy Boaza tamin\u2019 ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Naomy izay rehetra an\u2019 i Elimeleka sy izay rehetra an\u2019 i Kiliona sy Malona. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:10", "text": "Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin\u2019 i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran\u2019 ny maty ao amin\u2019 ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran\u2019 ny maty eo amin\u2019 ny rahalahiny sy eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:11", "text": "Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin\u2019 ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon\u2019 i Jehovah tahaka an\u2019 i Rahely sy tahaka an\u2019 i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon\u2019 ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao; " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:12", "text": "ary ho tahaka ny taranak\u2019 i Fareza, izay naterak\u2019 i Tamara tamin\u2019 i Joda, anie ny taranakao avy amin\u2019 ny zanaka izay homen\u2019 i Jehovah anao amin\u2019 ity vehivavy ity. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:13", "text": "Ary Boaza dia nampakatra an\u2019 i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan\u2019 anaka azy, ka niteraka zazalahy izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:14", "text": "Ary hoy ireo vehivavy tamin\u2019 i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:15", "text": "Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:16", "text": "Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:17", "text": "Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an\u2019 i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain\u2019 i Jese, rain\u2019 i Davida. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:18", "text": "Ary izao no taranak\u2019 i Fareza: Fareza niteraka an\u2019 i Hezrona; " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:19", "text": "ary Hezrona niteraka an\u2019 i Rama; ary Rama niteraka an\u2019 i Aminadaba; " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:20", "text": "ary Aminadaba niteraka an\u2019 i Nasona; ary Nasona niteraka an\u2019 i Salmona; " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:21", "text": "ary Salmona niteraka an\u2019 i Boaza; ary Boaza niteraka an\u2019 i Obeda; " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Ruth 4:22", "text": "ary Obeda niteraka an\u2019 i Jese; ary Jese niteraka an\u2019 i Davida. " } ] } ] }, { "name": "I Samuel", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "I Samuel 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:1", "text": " Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, Elkana no anarany zanak\u2019 i Jerohama, zanak\u2019 i Eliho, zanak\u2019 i Toho, zanak\u2019 i Zofa. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:2", "text": "Ary namporafy izy, Hana no anaran\u2019 ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran\u2019 ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:3", "text": "Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin\u2019 ny tan\u00e0nany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak\u2019 i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:4", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro namonoan\u2019 i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:5", "text": "Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon\u2019 i Jehovah momba. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:6", "text": "Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan\u2019 i Jehovah azy momba. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:7", "text": "Ary izany no fanaon\u2019 i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon\u2019 i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren\u2019 ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:8", "text": "Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho? " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:9", "text": "Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin\u2019 ny sezany teo anilan\u2019 ny tolam-baravaran\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:10", "text": "Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin\u2019 i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:11", "text": "Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon\u2019 ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an\u2019 i Jehovah kosa izy amin\u2019 ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:12", "text": "Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy, dia nodinihin\u2019 i Ely ny vavany. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:13", "text": "Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon\u2019 i Ely fa mamo izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:14", "text": "Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:15", "text": "Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan\u2019 i Jehovah aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:16", "text": "Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben\u2019 ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:17", "text": "Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen\u2019 Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:18", "text": "Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:19", "text": "Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an\u2019 i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:20", "text": "Ary tamin\u2019 ny fahatanterahan\u2019 ny andro dia nanan\u2019 anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin\u2019 i Jehovah no nangatahako azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:21", "text": "Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an\u2019 i Jehovah sy ny fanalam-boadiny. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:22", "text": "Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin\u2019 ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin\u2019 izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan\u2019 i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:23", "text": "Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain\u2019 i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:24", "text": "Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin\u2019 ny vantotr\u2019 ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza. " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:25", "text": "Dia novonoiny ny vantotr\u2019 ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin\u2019 i Ely ny zaza. " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:26", "text": "Ary hoy Hana: Tompoko \u00f4, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:27", "text": "Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen\u2019 i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. " }, { "verse": 28, "chapter": 1, "name": "I Samuel 1:28", "text": "Koa atolotro ho an\u2019 i Jehovah kosa izy: eny, amin\u2019 ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an\u2019 i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin\u2019 i Jehovah izy. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "I Samuel 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:1", "text": " Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin\u2019 i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin\u2019 i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin\u2019 ny famonjenao aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:2", "text": "Tsy misy mas\u00ecna tahaka an\u2019 i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an\u2019 Andriamanitsika. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:3", "text": "Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:4", "text": "Tapaka ny tsip\u00eckan\u2019 ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:5", "text": "Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:6", "text": "Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:7", "text": "Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:8", "text": "Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin\u2019 ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin\u2019 ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin\u2019 ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an\u2019 i Jehovah ny andrin\u2019 ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:9", "text": "Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin\u2019 ny maizina; fa tsy amin\u2019 ny hery no handresen\u2019 ny olona. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:10", "text": "Ho torotoro izay miady amin\u2019 i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:11", "text": " Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin\u2019 i Jehovah teo anatrehan\u2019 i Ely mpisorona. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:12", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:13", "text": "Ary izao no fanaon\u2019 ny mpisorona tamin\u2019 ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon\u2019 ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-t\u00e0nany, raha mbola nahandroina ny hena, " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:14", "text": "dia natsindrony tao anatin\u2019 ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin\u2019 ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon\u2019 ny fitrebika tao dia nalain\u2019 ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin\u2019 ny Isiraely rehetra izay tonga tao. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:15", "text": "Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon\u2019 ny mpisorona ka nanao tamin\u2019 izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an\u2019 ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:16", "text": "Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin\u2019 izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:17", "text": "Ka dia lehibe indrindra ny helok\u2019 ireo zatovo ireo teo anatrehan\u2019 i Jehovah, satria halan\u2019 ny olona ny fanatitra ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:18", "text": "Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan\u2019 i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:19", "text": "Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran\u2019 ny mpisorona avy amin\u2019 ny olona. Koa raha niakatra tamin\u2019 ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:20", "text": "Ary Ely nitso-drano an\u2019 i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen\u2019 i Jehovah zaza amin\u2019 ity vehivavy ity anie ianao ho solon\u2019 ilay voatolotra ho an\u2019 i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:21", "text": "Ary Jehovah namangy an\u2019 i Hana, ka dia nanan\u2019 anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:22", "text": "Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon\u2019 ny zananilahy tamin\u2019 ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin\u2019 ireo vehivavy izay nanompo teo amin\u2019 ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:23", "text": "Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin\u2019 izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo. " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:24", "text": "Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon\u2019 i Jehovah ianareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:25", "text": "Raha misy olona manota amin\u2019 olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin\u2019 i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak\u2019 i Jehovah ny hahafaty azy. " }, { "verse": 26, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:26", "text": "Ary Samoela zaza nitombo, sady tian\u2019 i Jehovah sy ny olona koa izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:27", "text": "Ary nisy lehilahin\u2019 Andriamanitra nankany amin\u2019 i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin\u2019 ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon\u2019 i Farao izy? " }, { "verse": 28, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:28", "text": "Eny, nofidiko tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin\u2019 ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an\u2019 ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely amin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 29, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:29", "text": "Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-dr\u00e0 sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin\u2019 ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin\u2019 izay tsara indrindra amin\u2019 ny fanatitra rehetra aterin\u2019 ny Isiraely oloko? " }, { "verse": 30, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:30", "text": "Koa izany no anaovan\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. " }, { "verse": 31, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:31", "text": "Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin\u2019 ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin\u2019 ny taranakao. " }, { "verse": 32, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:32", "text": "Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an\u2019 ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin\u2019 ny taranakao mandrakizay. " }, { "verse": 33, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:33", "text": "Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan\u2019 ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony. " }, { "verse": 34, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:34", "text": "Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy. " }, { "verse": 35, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:35", "text": "Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan\u2019 ny voahosotro mandrakizay izy. " }, { "verse": 36, "chapter": 2, "name": "I Samuel 2:36", "text": "Ary ho avy izay sisa rehetra amin\u2019 ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Mas\u00ecna ianao, mba tendreo ho isan\u2019 ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "I Samuel 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:1", "text": " Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin\u2019 i Jehovah teo anatrehan\u2019 i Ely. Ary tamin\u2019 izany andro izany efa nah\u00e0lana ny tenin\u2019 i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:2", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany, raha nandry tao amin\u2019 ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy), " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:3", "text": "sady tsy mbola maty ny jiron\u2019 Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah, izay nisy ny fiaran\u2019 Andriamanitra, " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:4", "text": "dia niantso an\u2019 i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:5", "text": "Dia nihazakazaka nankeo amin\u2019 i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:6", "text": "Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin\u2019 i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:7", "text": "Ary Samoela tsy mbola nahalala an\u2019 i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:8", "text": "Ary Jehovah niantso an\u2019 i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin\u2019 i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr\u2019 i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:9", "text": "Ary hoy Ely tamin\u2019 i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha t\u00e0hiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah \u00f4; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin\u2019 ny fandriany. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:10", "text": "Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela \u00f4! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:11", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin\u2019 ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:12", "text": "Amin\u2019 izany andro izany dia hotanterahiko amin\u2019 i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin\u2019 ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:13", "text": "Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an\u2019 ny tenany, nefa tsy nosakanany. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:14", "text": "Koa izany no nianianako ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:15", "text": "Ary nandry Samoela mandra-pahamarain\u2019 ny andro, dia namoha ny varavaran\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin\u2019 i Ely. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:16", "text": "Fa Ely niantso an\u2019 i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:17", "text": "Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain\u2019 i Jehovah taminao? mas\u00ecna ianao, aza afeninao ahy; hataon\u2019 Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:18", "text": "Dia nambaran\u2019 i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:19", "text": "Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:20", "text": "Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin\u2019 i Jehovah tokoa Samoela. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "I Samuel 3:21", "text": "Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin\u2019 i Samoela tao Silo Jehovah tamin\u2019 ny teniny. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "I Samuel 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:1", "text": " Ary tonga tany amin\u2019 ny Isiraely rehetra ny tenin\u2019 i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin\u2019 ny Filistina ka nitoby teo anilan\u2019 i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:2", "text": "Dia nilahatra ny Filistina hiady amin\u2019 ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin\u2019 ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:3", "text": "Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon\u2019 ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan\u2019 ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalontsika. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:4", "text": "Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, Izay mipetraka amin\u2019 ny kerobima; ary tao Silo, teo amin\u2019 ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 Andriamanitra, izy mirahalahy zanak\u2019 i Ely, dia Hofinia sy Finehasa. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:5", "text": "Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:6", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin\u2019 ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:7", "text": "Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:8", "text": "Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin\u2019 ny kapoka rehetra tany an-efitra. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:9", "text": "Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:10", "text": "Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin\u2019 ny Isiraely no niampatrampatra. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:11", "text": "Dia lasan-ko babo ny fiaran\u2019 Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak\u2019 i Ely, dia Hofinia sy Finehasa. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:12", "text": "Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin\u2019 ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:13", "text": "Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin\u2019 ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran\u2019 Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tan\u00e0na ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tan\u00e0na rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:14", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin\u2019 i Ely. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:15", "text": "Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin\u2019 izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:16", "text": "Ary hoy ilay lehilahy tamin\u2019 i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin\u2019 ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka? " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:17", "text": "Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan\u2019 ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:18", "text": "Ary nony nilaza ny amin\u2019 ny fiaran\u2019 Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin\u2019 ny sezany teo anilan\u2019 ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:19", "text": "Ary ny vinantoni-vavy, vadin\u2019 i Finehasa, nanan\u2019 anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran\u2019 Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:20", "text": "Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:21", "text": "Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran\u2019 ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran\u2019 Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "I Samuel 4:22", "text": "Ary hoy izy: Afaka tamin\u2019 ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "I Samuel 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:1", "text": " Dia nalain\u2019 ny Filistina ny fiaran\u2019 Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:2", "text": "Ary nony efa azon\u2019 ny Filistina ny fiaran\u2019 Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon\u2019 i Dagona izy ka napetrany teo anilany. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:3", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah; dia narenin\u2019 ny olona izy ka napetrany teo amin\u2019 ny fitoerany indray. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:4", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin\u2019 ny tany teo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah, ary tapaka teo amin\u2019 ny tokonam-baravarana ny lohan\u2019 i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:5", "text": "(izany no tsy anitsahan\u2019 ny mpisoron\u2019 i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran\u2019 i Dagona ao Asdoda mandraka androany). " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:6", "text": "Ary navesatra tamin\u2019 ny Asdodita ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin\u2019 ny fari-taniny rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:7", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran\u2019 ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin\u2019 i Dagona andriamanitsika ny t\u00e0nany. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:8", "text": "Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin\u2019 ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran\u2019 ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran\u2019 ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran\u2019 ny Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:9", "text": "Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tan\u00e0na ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tan\u00e0na, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:10", "text": "Ary dia naterin\u2019 ny olona nankany Ekrona ny fiaran\u2019 Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran\u2019 Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran\u2019 ny olona ho at\u1ef3 amintsika ny fiaran\u2019 ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:11", "text": "Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin\u2019 ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran\u2019 ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin\u2019 ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tan\u00e0na ny horohoron\u2019 ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "I Samuel 5:12", "text": "Ary ny olona izay tsy maty dia voan\u2019 ny vay kosa, ka ny fitarainan\u2019 ny tao an-tan\u00e0na dia niakatra ho any an-danitra. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "I Samuel 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:1", "text": "Ary ny fiaran\u2019 i Jehovah dia tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina fito volana. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:2", "text": "Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin\u2019 ny fitoerany. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:3", "text": "Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran\u2019 ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan\u2019 ny t\u00e0nany aminareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:4", "text": "Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan\u2019 ireo andrianan\u2019 ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:5", "text": "Koa manaova sarin\u2019 ny vainareo sy sarin\u2019 ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:6", "text": "Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian\u2019 ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa? " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:7", "text": "Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangal\u00e0 ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin\u2019 ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:8", "text": "Ary alao ny fiaran\u2019 i Jehovah, ka apetraho eo ambonin\u2019 ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:9", "text": "Ary izahao, ka raha miakatra amin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin\u2019 izay hanjo antsika. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:10", "text": "Dia nataon\u2019 ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin\u2019 ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:11", "text": "Dia napetrany teo ambonin\u2019 ny sariety ny fiaran\u2019 i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin\u2019 ny vay. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:12", "text": "Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin\u2019 ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin\u2019 ny lalambe ka nim\u00e0m\u00e0 teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia, ary ireo andrianan\u2019 ny Filistina nanaraka azy hatramin\u2019 ny fari-tanin\u2019 i Beti-semesy. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:13", "text": "Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:14", "text": "Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin\u2019 i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon\u2019 ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:15", "text": "Ary ny Levita nampidina ny fiaran\u2019 i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran\u2019 ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin\u2019 ny vato lehibe; ary tamin\u2019 izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:16", "text": "Ary raha hitan\u2019 ireo andriana dimy tamin\u2019 ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:17", "text": "Ary izao no sary volamenan\u2019 ny vay naterin\u2019 ny Filistina ho fanati-panonerana ho an\u2019 i Jehovah: an\u2019 i Asdoda iray, an\u2019 i Gaza iray, an\u2019 i Askelona iray, an\u2019 i Gata iray, an\u2019 i Ekrona iray; " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:18", "text": "ary ny totozy volamena dia araka ny isan\u2019 ny tan\u00e0na rehetra an\u2019 ny Filistina, izay an\u2019 ireo andriana dimy, an\u2019 ny tan\u00e0na mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin\u2019 ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran\u2019 i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin\u2019 i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:19", "text": "Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren\u2019 ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian\u2019 i Jehovah, ka be dia be no maty. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:20", "text": "Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan\u2019 izao Jehovah Andriamanitra mas\u00ecna izao? Ary ho amin\u2019 iza no hiakarany, rehefa miala amintsika? " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "I Samuel 6:21", "text": "Dia naniraka olona nankany amin\u2019 ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin\u2019 ny Filistina ny fiaran\u2019 i Jehovah; koa mid\u00ecna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "I Samuel 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:1", "text": "Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran\u2019 i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon\u2019 i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an\u2019 i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:2", "text": " Ary hatramin\u2019 izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran\u2019 i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak\u2019 Isiraely rehetra nalahelo an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:3", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely rehetra: Raha miverina amin\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an\u2019 i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina Izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:4", "text": "Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak\u2019 Isiraely ka nanompo an\u2019 i Jehovah irery ihany. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:5", "text": "Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin\u2019 i Jehovah ho anareo aho. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:6", "text": "Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan\u2019 i Jehovah, sady nifady hanina tamin\u2019 izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin\u2019 i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak\u2019 Isiraely tany Mizpa. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:7", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak\u2019 Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan\u2019 ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak\u2019 Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:8", "text": "Dia hoy ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin\u2019 i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:9", "text": "Dia naka zanak\u2019 ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah; dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ho an\u2019 ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:10", "text": "Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin\u2019 ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin\u2019 ny Filistina tamin\u2019 izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:11", "text": "Ary ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin\u2019 i Beti-kara. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:12", "text": "Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan\u2019 i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen\u2019 i Jehovah isika hatramin\u2019 izao. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:13", "text": "Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Isiraely intsony; ary ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah namely ny Filistina tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 i Samoela. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:14", "text": "Ary ny tan\u00e0na izay efa nalain\u2019 ny Filistina tamin\u2019 ny Isiraely dia azon\u2019 ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin\u2019 ireo dia nalain\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:15", "text": "Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:16", "text": "Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin\u2019 ireo tan\u00e0na rehetra ireo. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "I Samuel 7:17", "text": "Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "I Samuel 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:1", "text": " Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:2", "text": "Ary Joela no anaran\u2019 ny lahimatoany, ary Abia no anaran\u2019 ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:3", "text": "Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:4", "text": "Ary ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin\u2019 i Samoela " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:5", "text": "ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:6", "text": "Fa tsy sitrak\u2019 i Samoela ny nanaovan\u2019 ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin\u2019 i Jehovah Samoela. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:7", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Samoela: Henoy ihany ny tenin\u2019 ny olona amin\u2019 izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:8", "text": "Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin\u2019 ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:9", "text": "Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon\u2019 ny mpanjaka izay hanjaka aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:10", "text": "Dia nambaran\u2019 i Samoela tamin\u2019 ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:11", "text": "Ary hoy izy: Izao no ho fanaon\u2019 ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin\u2019 ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan\u2019 ny kalesiny, " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:12", "text": "ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny; " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:13", "text": "ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo; " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:14", "text": "ary ny tsara indrindra amin\u2019 ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin\u2019 olivanareo dia halainy ka homeny ho an\u2019 ny mpanompony; " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:15", "text": "ary ny ampahafolon\u2019 ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an\u2019 ny tandapany sy ny tandonany. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:16", "text": "Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:17", "text": "Ary halainy koa ny ampahafolon\u2019 ny ondry aman\u2019 osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:18", "text": "Ary hitaraina amin\u2019 izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:19", "text": "Kanefa tsy nety nihaino ny tenin\u2019 i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay, " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:20", "text": "mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:21", "text": "Ary ren\u2019 i Samoela ny teny rehetra nolazain\u2019 ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan\u2019 i Jehovah kosa. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "I Samuel 8:22", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin\u2019 ny tan\u00e0nanareo avy ianareo rehetra. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "I Samuel 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:1", "text": " Ary nisy lehilahy avy amin\u2019 ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak\u2019 i Abiela, zanak\u2019 i Zerora, zanak\u2019 i Bekorata, zanak\u2019 i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:2", "text": "Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin\u2019 ny sorony no ho miakatra ny halavany. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:3", "text": "Ary very ny borikivavin\u2019 i Kisy, rain\u2019 i Saoly. Dia hoy Kisy tamin\u2019 i Saoly zanany: Mitondr\u00e0 zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaing\u00e0, ka mandehana hitady ny boriky. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:4", "text": "Dia nandeha namaky ny tany havoan\u2019 i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin\u2019 ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:5", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin\u2019 ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin\u2019 ikaky, fa tsy ny boriky intsony. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:6", "text": "Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin\u2019 Andriamanitra amin\u2019 iroa tan\u00e0na iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:7", "text": "Dia hoy Saoly tamin\u2019 ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin\u2019 ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra; ka inona moa no at\u1ef3 amintsika? " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:8", "text": "Dia namaly an\u2019 i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, at\u1ef3 an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin\u2019 Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:9", "text": "(Fahiny teo amin\u2019 ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin\u2019 Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin\u2019 ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.) " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:10", "text": "Dia hoy Saoly tamin\u2019 ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin\u2019 ny tan\u00e0na nitoeran\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:11", "text": "Ary raha mbola niakatra teo amin\u2019 ny fiakarana ho any an-tan\u00e0na izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita? " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:12", "text": "Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tan\u00e0na izy izao, satria misy fanatitra hataon\u2019 ny vahoaka ao amin\u2019 ny fitoerana avo anio; " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:13", "text": "ary raha vao miditra ao an-tan\u00e0na ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin\u2019 ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin\u2019 ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin\u2019 izao no hahitanareo azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:14", "text": "Dia niakatra tao an-tan\u00e0na izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin\u2019 ny fitoerana avo ka nifanena taminy. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:15", "text": "Ary Jehovah efa nanambara tamin\u2019 i Samoela omalin\u2019 ny andro nahatongavan\u2019 i Saoly ka nanao hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:16", "text": "Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho at\u1ef3 aminao ny lehilahy anankiray avy amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby et\u1ef3 amiko ny fitarainany. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:17", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin\u2019 ny oloko. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:18", "text": "Ary Saoly dia nanatona an\u2019 i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Mas\u00ecna ianao, atoroy ahy ny tranon\u2019 ny mpahita. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:19", "text": "Ary Samoela dia namaly an\u2019 i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin\u2019 ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:20", "text": "Ary aza malahelo ny amin\u2019 ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an\u2019 iza ny zavatra irina rehetra eo amin\u2019 ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va? " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:21", "text": "Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin\u2019 ilay kely indrindra amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin\u2019 ny mpianakavin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao? " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:22", "text": "Ary Samoela dia nitondra an\u2019 i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin\u2019 ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin\u2019 izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:23", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:24", "text": "Dia nalain\u2019 ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin\u2019 ny eo aminy ka napetrany teo anoloan\u2019 i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin\u2019 izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin\u2019 izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin\u2019 i Samoela androtrizay. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:25", "text": "Ary izy roa lahy nidina avy tao amin\u2019 ny fitoerana avo hankany an-tan\u00e0na, ary dia niresaka tamin\u2019 i Saoly teo an-tampon-trano Samoela. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:26", "text": "Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an\u2019 i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsang\u00e0na ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "I Samuel 9:27", "text": "Ary nony nidina teo amin\u2019 ny faran\u2019 ny tan\u00e0na izy, dia hoy Samoela tamin\u2019 i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijan\u00f2na kely ianao hilazako ny tenin\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "I Samuel 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:1", "text": "Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan\u2019 i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:2", "text": "Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan\u2019 ny fasan-dRahely, ao amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin\u2019 ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin\u2019 ny zanako? " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:3", "text": "Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin\u2019 ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin\u2019 ny olona telo lahy miakatra ho any amin\u2019 Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak\u2019 osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara; " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:4", "text": "ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin\u2019 ny t\u00e0nany izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:5", "text": "Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean\u2019 Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan\u2019 ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tan\u00e0na ianao, dia hifanena amin\u2019 ny mpaminany maro irai-dia mid\u00ecna avy ao amin\u2019 ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:6", "text": "Ary hilatsaka aminao ny Fanahin\u2019 i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:7", "text": "Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon\u2019 ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:8", "text": "Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:9", "text": "Ary raha vao nihodina niala tamin\u2019 i Samoela izy, dia nomen\u2019 Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:10", "text": "Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin\u2019 i Saoly ny Fanahin\u2019 Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:11", "text": "Ary nony hitan\u2019 izay rehetra nahalala azy hatramin\u2019 ny taloha fa, indro, maminany eo amin\u2019 ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin\u2019 ny zanak\u2019 i Kisy izao? Saoly koa va mba isan\u2019 ny mpaminany? " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:12", "text": "Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain\u2019 ireny? Ary izany no nisehoan\u2019 ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan\u2019 ny mpaminany? " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:13", "text": "Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin\u2019 ny fitoerana avo. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:14", "text": "Ary hoy ny rahalahin-drain\u2019 i Saoly taminy sy tamin\u2019 ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin\u2019 i Samoela izahay. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:15", "text": "Ary hoy ny rahalahin-drain\u2019 i Saoly: Mas\u00ecna ianao, lazao amiko izay nolazain\u2019 i Samoela taminao. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:16", "text": "Dia hoy Saoly tamin\u2019 ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain\u2019 i Samoela ny amin\u2019 ny fanjakana tsy mba nambarany taminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:17", "text": "Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin\u2019 i Jehovah " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:18", "text": "ka nanao tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Egyptiana sy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:19", "text": "Nefa ianareo kosa efa nand\u00e0 an\u2019 Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin\u2019 ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijan\u00f2na eo anatrehan\u2019 i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:20", "text": "Dia nampanatona ny firenen\u2019 Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen\u2019 i Benjamina no voafidy. " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:21", "text": "Dia nampanatona ny firenen\u2019 i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon\u2019 ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak\u2019 i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:22", "text": "Dia nanontany tamin\u2019 i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin\u2019 ny entana izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:23", "text": "Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan\u2019 ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin\u2019 ny sorony no ho miakatra ny halavany. " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:24", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin\u2019 i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin\u2019 ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:25", "text": "Ary Samoela nilaza tamin\u2019 ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin\u2019 ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan\u2019 i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin\u2019 i Samoela ho any an-tranony avy. " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:26", "text": "Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitra ny fony. " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "I Samuel 10:27", "text": "Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon\u2019 io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an\u2019 i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "I Samuel 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:1", "text": " Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin\u2019 i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin\u2019 i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:2", "text": "Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:3", "text": "Fa hoy ny loholon\u2019 i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Isiraely rehetra, ka raha t\u00e0hiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:4", "text": "Dia tonga tany Gibean\u2019 i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan\u2019 ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:5", "text": "Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin\u2019 ny mponina tao Jabesy. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:6", "text": "Dia nilatsaka tamin\u2019 i Saoly ny Fanahin\u2019 Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran\u2019 i Saoly, raha nandre izany teny izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:7", "text": "Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin\u2019 ny fari-tanin\u2019 ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an\u2019 i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an\u2019 i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:8", "text": "Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ary telo alina no isan\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:9", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin\u2019 ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin\u2019 ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:10", "text": "Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:11", "text": "Ary nony maraina, dia nozarain\u2019 i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin\u2019 ny toby tamin\u2019 ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan\u2019 ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin\u2019 ny roa aza. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:12", "text": "Ary hoy ny vahoaka tamin\u2019 i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:13", "text": "Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan\u2019 i Jehovah famonjena teo amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:14", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "I Samuel 11:15", "text": "Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an\u2019 i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin\u2019 ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "I Samuel 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:1", "text": " Ary hoy Samoela tamin\u2019 ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin\u2019 izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo. " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:2", "text": "Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:3", "text": "Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan\u2019 i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin\u2019 iza moa no nalaiko? na borikin\u2019 iza no nalaiko? na an\u2019 iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-t\u00e0nan\u2019 iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:4", "text": "Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-t\u00e0nan\u2019 olona na dia iray akory aza. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:5", "text": "Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:6", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 ny olona: Jehovah no nanendry an\u2019 i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:7", "text": "Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan\u2019 i Jehovah aho ny amin\u2019 ny asa marina rehetra izay nataon\u2019 i Jehovah taminareo sy ny razanareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:8", "text": "Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin\u2019 i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an\u2019 i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin\u2019 ity tany ity. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:9", "text": "Nefa raha nanadino an\u2019 i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Sisera, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Hazora, sy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Filistina ary ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Moaba, ka niadian\u2019 ireo izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:10", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an\u2019 i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:11", "text": "Ary Jehovah efa naniraka an\u2019 i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:12", "text": "Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan\u2019 ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:13", "text": "Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:14", "text": "Enga anie ka hatahotra an\u2019 i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy hand\u00e0 ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:15", "text": "Fa raha tsy mihaino ny tenin\u2019 i Jehovah kosa ianareo, fa mand\u00e0 ny didiny, dia hamely anareo ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:16", "text": "Koa mitsang\u00e0na ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon\u2019 i Jehovah eto imasonareo izao: " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:17", "text": "Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an\u2019 i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason\u2019 i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:18", "text": "Ary Samoela niantso an\u2019 i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin\u2019 izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an\u2019 i Jehovah sy Samoela indrindra. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:19", "text": "Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin\u2019 i Samoela: Mangataha amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ho an\u2019 ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin\u2019 ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:20", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an\u2019 i Jehovah; fa manompoa Azy amin\u2019 ny fonareo rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:21", "text": "Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:22", "text": "Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak\u2019 i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony. " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:23", "text": "Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin\u2019 i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy. " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:24", "text": "Kanefa matahora an\u2019 i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin\u2019 ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao. " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "I Samuel 12:25", "text": "Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "I Samuel 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:1", "text": " Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:2", "text": "Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin\u2019 ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin\u2019 i Jonatana tany Gibean\u2019 ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:3", "text": "Ary Jonatana namely ny miaramilan\u2019 ny Filistina, izay tany Geba, ary ren\u2019 ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin\u2019 ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:4", "text": "Dia ren\u2019 ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan\u2019 ny Filistina Saoly, ka dia halan\u2019 ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an\u2019 i Saoly ho any Gilgala. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:5", "text": "Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin\u2019 ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan\u2019 i Betavena. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:6", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin\u2019 ny kirihitrala sy tany, amin\u2019 ny harambato sy tany amin\u2019 ny fierena ary tany amin\u2019 ny lavaka famorian-drano izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:7", "text": "Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an\u2019 i Jordana nankany amin\u2019 ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:8", "text": "Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon\u2019 i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:9", "text": "Ary hoy Saoly: Ento et\u1ef3 amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:10", "text": "Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:11", "text": "Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin\u2019 ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina, " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:12", "text": "dia hoy izaho: Hidina amin\u2019 izao ny Filistina hamely ahy at\u1ef3 Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin\u2019 i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:13", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin\u2019 ny Isiraely ho mandrakizay. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:14", "text": "Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin\u2019 i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian\u2019 i Jehovah anao ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:15", "text": "Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean\u2019 ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:16", "text": " Ary raha mbola nitoetra tany Gibean\u2019 ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin\u2019 izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:17", "text": "dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin\u2019 ny tobin\u2019 ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin\u2019 ny lalana mankany Ofra ho any amin\u2019 ny tany Solala; " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:18", "text": "ary ny iray toko nizotra ho any amin\u2019 ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zebo\u00efma tandrifin\u2019 ny efitra. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:19", "text": "Ary teny amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:20", "text": "Ka dia samy nidina ho any amin\u2019 ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fias\u00e0ny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:21", "text": "Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fias\u00e0na sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:22", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-t\u00e0nan\u2019 ny vahoaka rehetra izay eo amin\u2019 i Saoly sy Jonatana; fa tamin\u2019 i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "I Samuel 13:23", "text": "Ary ny avy tao amin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina nivoaka ho ao amin\u2019 ny hadilanana mankany. Mikmasy. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "I Samuel 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:1", "text": "Ary tamin\u2019 ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak\u2019 i Saoly, tamin\u2019 ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina izay er\u1ef3 an-dafy er\u1ef3. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:2", "text": "Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin\u2019 i Gibea teo ambanin\u2019 ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy; " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:3", "text": "ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak\u2019 i Ahitoba, rahalahin\u2019 i Ikaboda, zanak\u2019 i Finehasa, zanak\u2019 i Ely, mpisoron\u2019 i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:4", "text": "Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan\u2019 ny hadilanana izay nitadiavan\u2019 i Jonatana hankanesana ao amin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran\u2019 ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran\u2019 ny anankiray kosa Sene. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:5", "text": "Ny iray amin\u2019 ireo harambato ireo dia nijoro avo teo an-daniny avaratra manandrify an\u2019 i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an\u2019 i Gibea. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:6", "text": "Ary hoy Jonatana tamin\u2019 ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin\u2019 ny miaramilan\u2019 ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an\u2019 i Jehovah tsy hamonjy, na amin\u2019 ny maro, na amin\u2019 ny vitsy. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:7", "text": "Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:8", "text": "Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin\u2019 ireo olona ireo isika ka hiseho aminy. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:9", "text": "Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin\u2019 izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:10", "text": "Fa raha hoy kosa izy: Miakara et\u1ef3 aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr\u2019 i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:11", "text": "Dia niseho tamin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:12", "text": "Ary ny miaramila namaly an\u2019 i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara et\u1ef3 aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin\u2019 ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr\u2019 i Jehovah eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:13", "text": "Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan\u2019 i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:14", "text": "Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin\u2019 i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin\u2019 ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:15", "text": "Koa nisy hovitra tao amin\u2019 ny toby tany an-tsaha sy tamin\u2019 ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin\u2019 ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:16", "text": "Ary ny mpitilin\u2019 i Saoly ao Gibean\u2019 ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:17", "text": " Ary hoy Saoly tamin\u2019 ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo. " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:18", "text": "Dia hoy Saoly tamin\u2019 i Ahia: Ento et\u1ef3 ny fiaran\u2019 Andriamanitra (fa teo amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely ny fiaran\u2019 Andriamanitra fahizany). " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:19", "text": "Ary raha Saoly mbola niresaka tamin\u2019 ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba ter\u1ef3 an-tobin\u2019 ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin\u2019 ny mpisorona: Aoka ihany. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:20", "text": "Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin\u2019 ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin\u2019 ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:21", "text": "Ary ny Hebreo izay teo amin\u2019 ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin\u2019 ny tany manodidina dia nikambana tamin\u2019 ny Isiraely izay teo amin\u2019 i Saoly sy Jonatana koa. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:22", "text": "Ary ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely izay niery tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, raha nandre ny nandosiran\u2019 ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin\u2019 ny ady. " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:23", "text": "Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin\u2019 izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:24", "text": "Ary ory ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza. " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:25", "text": "Ary ny olona rehetra amin\u2019 ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:26", "text": "Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny t\u00e0nany ho amin\u2019 ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:27", "text": "Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-t\u00e0nany ka natsobony teo amin\u2019 ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny t\u00e0nany, ka dia nazava ny masony. " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:28", "text": "Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona. " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:29", "text": "Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin\u2019 ny tany; koa jereo, mas\u00ecna ianareo, he! izato fahazavan\u2019 ny masoko tamin\u2019 ilay nanandramako kely tamin\u2019 ity tantely ity. " }, { "verse": 30, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:30", "text": "Ka mainka fa raha navela hihinanan\u2019 ny olona ny babo azony tamin\u2019 ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina? " }, { "verse": 31, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:31", "text": "Ary izy ireo namely ny Filistina tamin\u2019 izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona. " }, { "verse": 32, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:32", "text": "Dia nanaovan\u2019 ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman\u2019 osy sy omby ary zanak\u2019 omby izy, dia namono azy teo amin\u2019 ny tany, ka dia nohanin\u2019 ny olona mbamin\u2019 ny r\u00e0ny. " }, { "verse": 33, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:33", "text": "Ary nisy nanambara tamin\u2019 i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin\u2019 i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin\u2019 ny r\u00e0ny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe et\u1ef3 amiko anio. " }, { "verse": 34, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:34", "text": "Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin\u2019 ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny et\u1ef3 amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fihinanana zavatra mbamin\u2019 ny r\u00e0ny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin\u2019 izany alina izany ka namono azy teo. " }, { "verse": 35, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:35", "text": "Ary Saoly nanao alitara ho an\u2019 i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 36, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:36", "text": "Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan\u2019 ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an\u2019 Andriamanitra etoana. " }, { "verse": 37, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:37", "text": "Ary Saoly nanontany tamin\u2019 Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr\u2019 iny. " }, { "verse": 38, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:38", "text": "Ary hoy Saoly: Manatona et\u1ef3, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao? " }, { "verse": 39, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:39", "text": "Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin\u2019 i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra. " }, { "verse": 40, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:40", "text": "Dia hoy kosa izy tamin\u2019 ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin\u2019 i Saoly: Ataovy izay sitrakao. " }, { "verse": 41, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:41", "text": "Dia hoy Saoly tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no not\u00e0nany, fa afaka ny olona. " }, { "verse": 42, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:42", "text": "Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no not\u00e0nany. " }, { "verse": 43, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:43", "text": "Dia hoy Saoly tamin\u2019 i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin\u2019 ny tendron\u2019 ny tehina tet\u1ef3 an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho. " }, { "verse": 44, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:44", "text": "Dia hoy Saoly: Hataon\u2019 Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana. " }, { "verse": 45, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:45", "text": "Fa hoy ny vahoaka tamin\u2019 i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin\u2019 ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin\u2019 ny tany, fa niara-niasa tamin\u2019 Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an\u2019 i Jonatana, ka dia tsy maty izy. " }, { "verse": 46, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:46", "text": "Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin\u2019 ny taniny. " }, { "verse": 47, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:47", "text": " Ary Saoly nahazo ny fanjakan\u2019 Isiraely ary niady tamin\u2019 ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin\u2019 ny Moaba sy ny taranak\u2019 i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan\u2019 i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa. " }, { "verse": 48, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:48", "text": "Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 izay namaboazy. " }, { "verse": 49, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:49", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran\u2019 ny zananivavy roa: ny anaran\u2019 ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran\u2019 ny faravavy Mikala. " }, { "verse": 50, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:50", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny vadin\u2019 i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin\u2019 i Ahimaza: ary ny anaran\u2019 ny komandin\u2019 ny miaramilany dia Abnera, zanak\u2019 i Nera, rahalahin-drain\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 51, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:51", "text": "Ary Kisy no rain\u2019 i Saoly; ary Nera, rain\u2019 i Abnera, dia zanak\u2019 i Abiela. " }, { "verse": 52, "chapter": 14, "name": "I Samuel 14:52", "text": "Ary mafy ny ady tamin\u2019 ny Filistina tamin\u2019 ny andron\u2019 i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan\u2019 i Saoly, dia nalainy ho azy. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "I Samuel 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:1", "text": " Ary hoy Samoela tamin\u2019 i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin\u2019 i Jehovah ianao. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:2", "text": "Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro: Hovaliako izay nataon\u2019 ny Amalekita tamin\u2019 ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:3", "text": "Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman\u2019 osy, na rameva, na boriky. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:4", "text": "Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:5", "text": "Ary Saoly dia tonga tao an-tan\u00e0nan\u2019 ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:6", "text": "Ary hoy Saoly tamin\u2019 ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka mid\u00ecna hiala amin\u2019 ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin\u2019 ny Amalekita ny Kenita. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:7", "text": "Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin\u2019 ny lalana mankany Sora izay tandrifin\u2019 i Egypta. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:8", "text": "Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan\u2019 ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:9", "text": "Fa Saoly sy ny olona tsy namono an\u2019 i Agaga sy izay tsara indrindra tamin\u2019 ny ondry aman\u2019 osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak\u2019 ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:10", "text": "Ary tonga tamin\u2019 i Samoela ny tenin\u2019 i Jehovah hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:11", "text": "Manenina Aho noho ny nanaovako an\u2019 i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin\u2019 ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin\u2019 i Jehovah mandritra ny alina. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:12", "text": "Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an\u2019 i Saoly, dia nisy nilaza tamin\u2019 i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:13", "text": "Ary Samoela tonga teo amin\u2019 i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin\u2019 i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin\u2019 i Jehovah aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:14", "text": "Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman\u2019 osy ren\u2019 ny sofiko izany sy ny fim\u00e0m\u00e0n\u2019 ny omby reko? " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:15", "text": "Ary hoy Saoly: Avy tany amin\u2019 ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman\u2019 osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:16", "text": "Dia hoy Samoela tamin\u2019 i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain\u2019 i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:17", "text": "Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely; " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:18", "text": "ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:19", "text": "Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin\u2019 ny babo ka nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:20", "text": "Fa hoy Saoly tamin\u2019 i Samoela: Efa nihaino ny feon\u2019 i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin\u2019 izay nanirahan\u2019 i Jehovah ahy ary nitondra an\u2019 i Agaga, mpanjakan\u2019 ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:21", "text": "Nefa nangalan\u2019 ny olona ondry aman\u2019 osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin\u2019 ny zavatra haringana, mba hovonoina hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:22", "text": "Fa hoy Samoela: Sitrak\u2019 i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 mihoatra noho ny mihaino ny feon\u2019 i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran\u2019 ondrilahy. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:23", "text": "Fa ny miodina dia toy ny heloka amin\u2019 ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nand\u00e0 ny tenin\u2019 i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa. " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:24", "text": "Ary hoy Saoly tamin\u2019 i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin\u2019 i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony. " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:25", "text": "Koa ankehitriny, mas\u00ecna ianao, mamel\u00e0 ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:26", "text": "Fa hoy Samoela tamin\u2019 i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nand\u00e0 ny tenin\u2019 i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nand\u00e0 anao tsy ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely intsony. " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:27", "text": "Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin\u2019 i Saoly ny sisin\u2019 akanjony ka triatra. " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:28", "text": "Dia hoy Samoela tamin\u2019 i Saoly: Efa notriarin\u2019 i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan\u2019 Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:29", "text": "Ary koa, ny Tokin\u2019 ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina. " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:30", "text": "Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, mas\u00ecna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan\u2019 ny loholoko sy eo anatrehan\u2019 ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:31", "text": "Ary Samoela dia niverina nanaraka an\u2019 i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:32", "text": "Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan\u2019 ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian\u2019 ny fahafatesana. " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:33", "text": "Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan\u2019 ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan\u2019 ny reninao zanaka kosa ao amin\u2019 ny vehivavy. Dia notetitetehin\u2019 i Samoela teo anatrehan\u2019 i Jehovah tao Gilgala Agaga. " }, { "verse": 34, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:34", "text": "Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin\u2019 ny tranony tao Gibean\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 35, "chapter": 15, "name": "I Samuel 15:35", "text": "Ary Samoela tsy namangy an\u2019 i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an\u2019 i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an\u2019 i Saoly ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "I Samuel 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:1", "text": " Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an\u2019 i Saoly, nefa Izaho efa nand\u00e0 azy tsy ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin\u2019 i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin\u2019 ny zanany Aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:2", "text": "Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren\u2019 i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondr\u00e0 ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:3", "text": "Ary antsoy Jese mba ho any amin\u2019 ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:4", "text": "Ary Samoela nanao izay nolazain\u2019 i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tan\u00e0na ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:5", "text": "Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin\u2019 ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin\u2019 ny fanatitra. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:6", "text": "Ary nony tonga ireo, dia nijery an\u2019 i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr\u2019 i Jehovah tokoa ity eto anatrehany. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:7", "text": "Fa hoy Jehovah tamin\u2019 i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon\u2019 ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin\u2019 ny olona no fijerin\u2019 i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:8", "text": "Ary Jese niantso an\u2019 i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan\u2019 i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:9", "text": "Ary Jese dia nampandalo an\u2019 i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:10", "text": "Ary Jese nampandalo fito lahy tamin\u2019 ny zanany teo anatrehan\u2019 i Samoela. Fa hoy Samoela tamin\u2019 i Jese: Tsy nofidin\u2019 i Jehovah ireto. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:11", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin\u2019 i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:12", "text": "Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsang\u00e0na, hosory izy, fa io no izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:13", "text": "Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin\u2019 ny rahalahiny; ary ny Fanahin\u2019 i Jehovah dia nilatsaka tamin\u2019 i Davida hatramin\u2019 iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:14", "text": "Fa ny Fanahin\u2019 i Jehovah efa niala tamin\u2019 i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin\u2019 i Jehovah nampahatahotra azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:15", "text": "Ary hoy ny mpanompon\u2019 i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin\u2019 Andriamanitra mampahatahotra anao. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:16", "text": "Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin\u2019 Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin\u2019 ny t\u00e0nany izy, ka dia ho tsara ihany ianao. " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:17", "text": "Ary hoy Saoly tamin\u2019 ny mpanompony: Mizah\u00e0 ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento et\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:18", "text": "Dia namaly ny anankiray amin\u2019 ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin\u2019 ny zanak\u2019 i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:19", "text": "Ary Saoly dia naniraka tany amin\u2019 i Jese ka nanao hoe: Iraho hankat\u1ef3 amiko Davida zanakao izay miandry ondry. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:20", "text": "Ary Jese naka mofo tokony ho zakan\u2019 ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak\u2019 osy, ka nampitondrainy an\u2019 i Davida zanany ho an\u2019 i Saoly ireo. " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:21", "text": "Ary Davida tonga tany amin\u2019 i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:22", "text": "Ary Saoly naniraka tany amin\u2019 i Jese nanao hoe: Mas\u00ecna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "I Samuel 16:23", "text": "Ary raha nisy fanahy avy tany amin\u2019 Andriamanitra tonga tao amin\u2019 i Saoly, dia noraisin\u2019 i Davida ny lokanga ka notendren\u2019 ny t\u00e0nany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "I Samuel 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:1", "text": " Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan\u2019 i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:2", "text": "Ary Saoly sy ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin\u2019 ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:3", "text": "Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin\u2019 ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin\u2019 ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:4", "text": "Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin\u2019 ny tobin\u2019 ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:5", "text": "Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan\u2019 ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:6", "text": "Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin\u2019 ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:7", "text": "Ary ny haben\u2019 ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon\u2019 ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:8", "text": "Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan\u2019 ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon\u2019 i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina et\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:9", "text": "Raha t\u00e0hiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:10", "text": "Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan\u2019 ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:11", "text": "Ary raha ren\u2019 i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin\u2019 ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:12", "text": "Ary Davida dia zanak\u2019 ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin\u2019 ny andron\u2019 i Saoly; " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:13", "text": "ary ny zokiny telo lahy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Jese lasa nanaraka an\u2019 i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran\u2019 ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony; " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:14", "text": "ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an\u2019 i Saoly; " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:15", "text": "fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin\u2019 i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:16", "text": "Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:17", "text": "Ary hoy Jese tamin\u2019 i Davida zanany: Ento ity lango eran\u2019 ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an\u2019 ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin\u2019 ny rahalahinao. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:18", "text": "Ary ento ho an\u2019 ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho. " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:19", "text": "Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin\u2019 ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely dia teo amin\u2019 ny lohasaha Elaha niady tamin\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:20", "text": "Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman\u2019 olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian\u2019 i Jese azy; ary tonga teo amin\u2019 ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon\u2019 ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin\u2019 izay. " }, { "verse": 21, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:21", "text": "Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila. " }, { "verse": 22, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:22", "text": "Ary Davida namela ny entany teo anilan\u2019 ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin\u2019 ny laharan\u2019 ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin\u2019 izay toetry ny rahalahiny. " }, { "verse": 23, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:23", "text": "Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin\u2019 ny laharan\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren\u2019 i Davida. " }, { "verse": 24, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:24", "text": "ary ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:25", "text": "Ary hoy ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon\u2019 ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin\u2019 ny Isiraely ny tarana-drainy. " }, { "verse": 26, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:26", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin\u2019 izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan\u2019 Andriamanitra velona? " }, { "verse": 27, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:27", "text": "Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin\u2019 izay lehilahy mahafaty azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:28", "text": "Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin\u2019 ny olona dia nirehitra tamin\u2019 i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no mid\u00ecna et\u1ef3? Ary amin\u2019 iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian\u2019 ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao et\u1ef3. " }, { "verse": 29, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:29", "text": "Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa? " }, { "verse": 30, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:30", "text": "Ary niala teo aminy hankany amin\u2019 ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray. " }, { "verse": 31, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:31", "text": "Ary nony ren\u2019 ny olona ny teny izay nataon\u2019 i Davida, dia nambarany tamin\u2019 i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:32", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin\u2019 ilehio ny fon\u2019 ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin\u2019 io Filistina io. " }, { "verse": 33, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:33", "text": "Fa hoy Saoly tamin\u2019 i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin\u2019 io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany. " }, { "verse": 34, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:34", "text": "Fa hoy Davida tamin\u2019 i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak\u2019 ondry teo amin\u2019 ny ondry, " }, { "verse": 35, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:35", "text": "dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak\u2019 ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin\u2019 ny somony, ary nasiako ka matiko. " }, { "verse": 36, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:36", "text": "Ny liona sy ny bera samy novonoin\u2019 ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin\u2019 ireny, satria nihaika ny miaramilan\u2019 Andriamanitra velona izy. " }, { "verse": 37, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:37", "text": "Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin\u2019 ny tanan\u2019 io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin\u2019 i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah. " }, { "verse": 38, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:38", "text": "Ary Saoly nampiakanjo an\u2019 i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin\u2019 ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra. " }, { "verse": 39, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:39", "text": "Ary Davida namehy ny sabany tamin\u2019 ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin\u2019 i Saoly: Tsy afa-mandeha amin\u2019 ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin\u2019 i Davida izany. " }, { "verse": 40, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:40", "text": "Dia nitondra ny tehiny teny an-t\u00e0nany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin\u2019 ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin\u2019 ny kitapo fitondran\u2019 ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-t\u00e0nany; dia nanatona ilay Filistina izy. " }, { "verse": 41, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:41", "text": "Ary ilay Filistina nandroso nanatona an\u2019 i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe. " }, { "verse": 42, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:42", "text": "Ary nony nijerijery an\u2019 i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy. " }, { "verse": 43, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:43", "text": "Ary hoy ilay Filistina tamin\u2019 i Davida: Alika angaha aho, no hatonin\u2019 ialahy amin\u2019 ny tehina? Ary nanozona an\u2019 i Davida tamin\u2019 ireo andriamaniny ilay Filistina " }, { "verse": 44, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:44", "text": "sady nanao tamin\u2019 i Davida hoe: Avia et\u1ef3 amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon\u2019 ialahy. " }, { "verse": 45, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:45", "text": "Fa hoy kosa Davida tamin\u2019 ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin\u2019 ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, Andriamanitry ny miaramilan\u2019 ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. " }, { "verse": 46, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:46", "text": "Anio no hanoloran\u2019 i Jehovah anao amin\u2019 ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. " }, { "verse": 47, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:47", "text": "Ary ho fantatr\u2019 izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen\u2019 i Jehovah; fa an\u2019 i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. " }, { "verse": 48, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:48", "text": "Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an\u2019 i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin\u2019 ny laharan\u2019 ny miaramila hitsena ilay Filistina. " }, { "verse": 49, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:49", "text": "Ary natsofok\u2019 i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin\u2019 ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin\u2019 ny handriny, ary nilentika tamin\u2019 ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin\u2019 ny tany izy. " }, { "verse": 50, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:50", "text": "Toy izany no nandresen\u2019 i Davida ilay Filistina tamin\u2019 ny vaton\u2019 antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-t\u00e0nan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 51, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:51", "text": "Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan\u2019 ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr\u2019 ilehio ka notsoahany tamin\u2019 ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan\u2019 ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy. " }, { "verse": 52, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:52", "text": "Ary ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin\u2019 i Gay sy ny vavahadin\u2019 i Ekrona; ary izay voa tamin\u2019 ny Filistina dia niampatrampatra teny amin\u2019 ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona. " }, { "verse": 53, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:53", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa. " }, { "verse": 54, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:54", "text": "Ary ny lohan\u2019 ilay Filistina dia noraisin\u2019 i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin\u2019 ny lainy. " }, { "verse": 55, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:55", "text": " Ary nony nahita an\u2019 i Davida nandeha hiady tamin\u2019 ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin\u2019 i Abnera, komandin\u2019 ny miaramila: Ry Abnera, zanak\u2019 iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively. " }, { "verse": 56, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:56", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak\u2019 iza na zanak\u2019 iza iny zaza iny. " }, { "verse": 57, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:57", "text": "Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain\u2019 i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan\u2019 i Saoly, ary mbola teny an-t\u00e0nany ihany ny lohan\u2019 ilay Filistina. " }, { "verse": 58, "chapter": 17, "name": "I Samuel 17:58", "text": "Dia hoy Saoly taminy: Zanak\u2019 iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak\u2019 i Jese Betlehemita mpanomponao aho. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "I Samuel 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:1", "text": "Ary rehefa nitsahatra niteny tamin\u2019 i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin\u2019 i Davida ny fanahin\u2019 i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:2", "text": "Ary Saoly nandray azy tamin\u2019 izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin\u2019 ny tranon-drainy intsony. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:3", "text": "Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan\u2019 i Jonatana azy toy ny tenany. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:4", "text": "Ary nesorin\u2019 i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an\u2019 i Davida mbamin\u2019 ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsip\u00eckany ary ny fehin-kibony koa aza. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:5", "text": "Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin\u2019 izay rehetra nanirahan\u2019 i Saoly azy; ka dia nataon\u2019 i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan\u2019 ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon\u2019 i Saoly koa. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:6", "text": "Ary nony tonga ny olona tamin\u2019 ny niverenan\u2019 i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an\u2019 i Saoly mpanjaka tamin\u2019 ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:7", "text": "Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:8", "text": "Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an\u2019 i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:9", "text": "Ary Saoly hatramin\u2019 izany andro izany dia nangarika an\u2019 i Davida. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:10", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin\u2019 Andriamanitra nilatsaka tamin\u2019 i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin\u2019 ny t\u00e0nany tahaka ny fanaony isan\u2019 andro ihany, ary nisy lefona teny an-t\u00e0nan\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:11", "text": "Dia natorak\u2019 i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an\u2019 i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin\u2019 ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:12", "text": "Ary Saoly natahotra an\u2019 i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:13", "text": "Koa dia nesorin\u2019 i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:14", "text": "Ary Davida dia hita fa hendry tamin\u2019 izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:15", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:16", "text": "Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an\u2019 i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:17", "text": "Ary hoy Saoly tamin\u2019 i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin\u2019 i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan\u2019 ny Filistina no hamely azy.) " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:18", "text": "Fa hoy Davida tamin\u2019 i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin\u2019 ny raiko ao amin\u2019 ny Isiraely, no ho vinanton\u2019 ny mpanjaka aho? " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:19", "text": "Kanjo nony tamin\u2019 ny andro tokony ho namoahana an\u2019 i Meraba, zanakavavin\u2019 i Saoly, ho vadin\u2019 i Davida, dia nomena ho vadin\u2019 i Adriela Meholatita izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:20", "text": "Fa Mikala, zanakavavin\u2019 i Saoly kosa tia an\u2019 i Davida; ary nisy nanambara izany tamin\u2019 i Saoly, ka sitrak\u2019 i Saoly izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:21", "text": "(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin\u2019 i Davida: Fanindroan\u2019 ny maha-vinantoko anao izao. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:22", "text": "Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin\u2019 i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian\u2019 ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton\u2019 ny mpanjaka ianao. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:23", "text": "Ary ny mpanompon\u2019 i Saoly nilaza izany teny izany tamin\u2019 i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton\u2019 ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza? " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:24", "text": "Ary ny mpanompon\u2019 i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin\u2019 i Davida. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:25", "text": "Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin\u2019 i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan\u2019 ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr\u2019 i Saoly hahafaty an\u2019 i Davida amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:26", "text": "Ary rehefa nambaran\u2019 ny mpanompon\u2019 i Saoly tamin\u2019 i Davida izany teny izany, dia sitrak\u2019 i Davida ny ho vinanton\u2019 ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr\u2019 andro, " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:27", "text": "dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka mba hahavinanton\u2019 ny mpanjaka azy. Dia nomen\u2019 i Saoly ho vadin\u2019 i Davida Mikala zananivavy. " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:28", "text": "Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an\u2019 i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:29", "text": "Ary dia vao mainka natahotra an\u2019 i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon\u2019 i Davida mandrakariva izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "I Samuel 18:30", "text": "Ary ireo andrianan\u2019 ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon\u2019 i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "I Samuel 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:1", "text": " Ary Saoly niresaka tamin\u2019 i Jonatana zanany sy tamin\u2019 ny mpanompony rehetra ny amin\u2019 izay hahafaty an\u2019 i Davida. Fa Jonatana, zanak\u2019 i Saoly, kosa tia dia tia an\u2019 i Davida. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:2", "text": "Ary Jonatana nanambara tamin\u2019 i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, mas\u00ecna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin\u2019 izay fitoerana mangingina, ka miere; " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:3", "text": "ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan\u2019 ikaky amin\u2019 ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:4", "text": "Ary Jonatana nilaza soa an\u2019 i Davida tamin\u2019 i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an\u2019 i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony, " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:5", "text": "fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an\u2019 ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka r\u00e0 marina ianao ka hahafaty foana an\u2019 i Davida? " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:6", "text": "Ary Saoly nihaino ny tenin\u2019 i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:7", "text": "Ary Jonatana niantso an\u2019 i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an\u2019 i Davida ho eo amin\u2019 i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:8", "text": "Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin\u2019 ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:9", "text": "Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin\u2019 i Jehovah tonga tao amin\u2019 i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-t\u00e0nany; ary Davida nitendry lokanga tamin\u2019 ny t\u00e0nany. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:10", "text": "Ary Saoly nihendry hamely an\u2019 i Davida tamin\u2019 ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin\u2019 ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan\u2019 i Saoly, ka ny rindrina no voan\u2019 ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin\u2019 iny alina iny ihany. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:11", "text": "Ary Saoly naniraka olona hankany amin\u2019 ny tranon\u2019 i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin\u2019 i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:12", "text": "Ary Mikala nampidina an\u2019 i Davida tamin\u2019 ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka. " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:13", "text": "Ary nalain\u2019 i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin\u2019 ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon\u2019 osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:14", "text": "Ary nony naniraka haka an\u2019 i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:15", "text": "Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an\u2019 i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra at\u1ef3 amiko amin\u2019 ny farafara izy hovonoiko. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:16", "text": "Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron\u2019 ilay makarakara volon\u2019 osy ny lohany. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:17", "text": "Dia hoy Saoly tamin\u2019 i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin\u2019 i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:18", "text": "Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin\u2019 i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon\u2019 i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:19", "text": "Ary nisy nanambara tamin\u2019 i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:20", "text": "Ary Saoly naniraka olona hisambotra an\u2019 i Davida; ary nony hitan\u2019 ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin\u2019 ny irak\u2019 i Saoly ny Fanahin\u2019 Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:21", "text": "Ary nony nisy nanambara izany tamin\u2019 i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:22", "text": "Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin\u2019 ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:23", "text": "Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin\u2019 Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama. " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "I Samuel 19:24", "text": "Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan\u2019 i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan\u2019 ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan\u2019 ny mpaminany? " } ] }, { "chapter": 20, "name": "I Samuel 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:1", "text": " Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan\u2019 i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy? " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:2", "text": "Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran\u2019 ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon\u2019 ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:3", "text": "Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr\u2019 i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:4", "text": "Dia hoy Jonatana tamin\u2019 i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hat\u00e0oko aminao izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:5", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin\u2019 ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin\u2019 ny afaka ampitso harivariva. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:6", "text": "Koa raha hitan\u2019 ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tan\u00e0nany; fa misy fanatitra fanao amin\u2019 izy mianakavy rehetra isan-taona any. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:7", "text": "Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an\u2019 ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:8", "text": "Koa mamindr\u00e0 fo amin\u2019 ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken\u2019 i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin\u2019 ny rainao aho? " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:9", "text": "Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan\u2019 ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:10", "text": "Dia hoy Davida tamin\u2019 i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao? " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:11", "text": "Ary hoy Jonatana tamin\u2019 i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:12", "text": "Ary hoy Jonatana tamin\u2019 i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an\u2019 i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao, " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:13", "text": "dia hataon\u2019 i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain\u2019 ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin\u2019 ny raiko anie Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:14", "text": "Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran\u2019 i Jehovah mba tsy hahafaty ahy? " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:15", "text": "Ary tsy hesorinao amin\u2019 ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan\u2019 i Jehovah ny fahavalon\u2019 i Davida rehetra tsy ho et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:16", "text": "Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon\u2019 i Davida. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:17", "text": "Ary Jonatana nampianiana an\u2019 i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:18", "text": "Ary hoy Jonatana tamin\u2019 i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:19", "text": "Koa rehefa mby amin\u2019 ny andro fahatelo dia mid\u00ecna faingana ianao, ary tongava ao amin\u2019 ilay nierenao tamin\u2019 ny andro nitrangan\u2019 ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan\u2019 ny vato Ezela. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:20", "text": "Ary izaho handefa zana-tsip\u00ecka telo eo anilany, toy ny mikendry marika. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:21", "text": "Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsip\u00ecka. Ka raha lazaiko mihitsy amin\u2019 ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsip\u00ecka, ento et\u1ef3, dia avia ianao, fa hipetraka amin\u2019 ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:22", "text": "Fa raha hoy kosa aho amin\u2019 ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsip\u00ecka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:23", "text": "Ary ny amin\u2019 ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay. " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:24", "text": "Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:25", "text": "teo amin\u2019 ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin\u2019 ny fipetrahana teo anilan\u2019 ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan\u2019 i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:26", "text": "Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin\u2019 izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:27", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro faharoa dia ny ampitson\u2019 ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan\u2019 i Davida, dia hoy Saoly tamin\u2019 i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan\u2019 ny zanak\u2019 i Jese hihinana omaly sy androany? " }, { "verse": 28, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:28", "text": "Ary Jonatana namaly an\u2019 i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema " }, { "verse": 29, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:29", "text": "nanao hoe: Mas\u00ecna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tan\u00e0na, ka asain\u2019 ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, mas\u00ecna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin\u2019 ny latabatry ny mpanjaka. " }, { "verse": 30, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:30", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 i Jonatana ny fahatezeran\u2019 i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak\u2019 i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon\u2019 ny reninao. " }, { "verse": 31, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:31", "text": "Fa raha mbola velona et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany koa iny zanak\u2019 i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankat\u1ef3 amiko, fa meloka tokony ho faty izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:32", "text": "Ary Jonatana namaly an\u2019 i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony? " }, { "verse": 33, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:33", "text": "Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr\u2019 i Jonatana fa nofofoin\u2019 ny rainy hovonoina Davida. " }, { "verse": 34, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:34", "text": "Dia nitsangana niala teo amin\u2019 ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin\u2019 ny ampitson\u2019 ny tsinam-bolana; fa nalahelo an\u2019 i Davida izy, satria nomen-drainy henatra. " }, { "verse": 35, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:35", "text": "Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin\u2019 ilay fotoana nataony tamin\u2019 i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy. " }, { "verse": 36, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:36", "text": "Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsip\u00ecka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsip\u00ecka. " }, { "verse": 37, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:37", "text": "Ary nony efa tonga teo amin\u2019 ilay nipetrahan\u2019 ny zana-tsip\u00ecka nalefan\u2019 i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin\u2019 i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsip\u00ecka? " }, { "verse": 38, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:38", "text": "Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haing\u00e0na dia haing\u00e0na, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin\u2019 i Jonatana nanangona ny zana-tsip\u00ecka, dia nankeo amin\u2019 ny tompony. " }, { "verse": 39, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:39", "text": "Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton\u2019 izany. " }, { "verse": 40, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:40", "text": "Dia nomen\u2019 i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tan\u00e0na ireto. " }, { "verse": 41, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:41", "text": "Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin\u2019 ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an\u2019 i Davida dia mafy loatra. " }, { "verse": 42, "chapter": 20, "name": "I Samuel 20:42", "text": "Ary hoy Jonatana tamin\u2019 i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin\u2019 ny taranako sy ny taranakao mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "I Samuel 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:1", "text": "Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tan\u00e0na. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:2", "text": " Ary Davida tonga tany Noba, tany amin\u2019 i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin\u2019 i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao? " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:3", "text": "Dia hoy Davida tamin\u2019 i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr\u2019 olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:4", "text": "Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho et\u1ef3 an-tanako, na izay misy. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:5", "text": "Ary ny mpisorona namaly an\u2019 i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo mas\u00ecna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:6", "text": "Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin\u2019 ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin\u2019 izaho niainga dia mas\u00ecna ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy mas\u00ecna aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:7", "text": "Ary ny mpisorona nanome azy mofo mas\u00ecna; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan\u2019 i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin\u2019 ny andro nanesorana azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:8", "text": "(Nefa nisy anankiray tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Saoly teo tamin\u2019 izany andro izany, voahazona teo anatrehan\u2019 i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben\u2019 ny mpiandrin\u2019 i Saoly izy.) " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:9", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako et\u1ef3 amiko, satria nahamaika ny raharahan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:10", "text": "Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr\u2019 i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin\u2019 ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon\u2019 ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:11", "text": "Ary Davida niainga nandositra tamin\u2019 izany andro izany mba tsy ho azon\u2019 i Saoly, dia nankany amin\u2019 i Akisy, mpanjakan\u2019 i Gata. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:12", "text": "Ary hoy ny mpanompon\u2019 i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan\u2019 ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina? " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:13", "text": "Ary dia nalatsak\u2019 i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an\u2019 i Akisy, mpanjakan\u2019 i Gata, indrindra izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:14", "text": "Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin\u2019 ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin\u2019 ny somony ny iviny. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:15", "text": "Ary hoy Akisy tamin\u2019 ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo et\u1ef3 amiko izy? " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "I Samuel 21:16", "text": "Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio? " } ] }, { "chapter": 22, "name": "I Samuel 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:1", "text": " Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin\u2019 ny zohin\u2019 i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:2", "text": "Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:3", "text": "Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Moaba hoe: Mas\u00ecna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy at\u1ef3 hitoetra et\u1ef3 aminao ambara-pahafantatro izay hataon\u2019 Andriamanitra amiko. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:4", "text": "Ary dia nentiny ho eo anatrehan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin\u2019 ny andro rehetra nitoeran\u2019 i Davida tao amin\u2019 ny batery fiarovana. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:5", "text": "Ary hoy Gada mpaminany tamin\u2019 i Davida: Aza mitoetra ao amin\u2019 ny batery fiarovana; fa mial\u00e0, ka mankanesa any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an\u2019 ala Hareta. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:6", "text": "Ary ren\u2019 i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin\u2019 ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin\u2019 izay, sady nisy lefona teny an-t\u00e0nany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany), " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:7", "text": "dia hoy Saoly tamin\u2019 ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak\u2019 i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen\u2019 ny zanak\u2019 i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra, " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:8", "text": "no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin\u2019 izao anio izao? " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:9", "text": "Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon\u2019 i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak\u2019 i Jese tonga tany Noba aho tany amin\u2019 i Ahimeleka, zanak\u2019 i Ahitoba. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:10", "text": "Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin\u2019 i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr\u2019 i Goliata Filistina. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:11", "text": "Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an\u2019 i Ahimeleka mpisorona, zanak\u2019 i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin\u2019 ny mpanjaka izy rehetra. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:12", "text": "Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak\u2019 i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:13", "text": "Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak\u2019 i Jese, tamin\u2019 ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin\u2019 Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin\u2019 izao anio izao? " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:14", "text": "Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin\u2019 ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an\u2019 i Davida, izay vinanton\u2019 ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao? " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:15", "text": "Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin\u2019 Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin\u2019 izany rehetra izany, na kely na be. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:16", "text": "Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra. " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:17", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 ny mpiambina izay teo anoloany: Mihod\u00ecna, ka vonoy ny mpisoron\u2019 i Jehovah; fa ny t\u00e0nan\u2019 ireo koa momba an\u2019 i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny t\u00e0nany hamely ny mpisoron\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:18", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Doega: Mihod\u00ecna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:19", "text": "Dia nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra koa Noba, tan\u00e0nan\u2019 ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman\u2019 osy. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:20", "text": "Ary ny anankiray tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Ahimeleka, zanak\u2019 i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an\u2019 i Davida. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:21", "text": "Ary Abiatara nanambara tamin\u2019 i Davida ny namonoan\u2019 i Saoly ny mpisoron\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:22", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Abiatara: Fantatro androtr\u2019 iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin\u2019 i Saoly tokoa; koa izaho no anton\u2019 ny nahafaty ny olona rehetra tamin\u2019 ny tarana-drainao. " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "I Samuel 22:23", "text": "Tomoera et\u1ef3 amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "I Samuel 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:1", "text": " Ary nisy nanambara tamin\u2019 i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an\u2019 i Keila ka mamabo ny ao amin\u2019 ny famoloana. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:2", "text": "Ary Davida nanontany tamin\u2019 i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:3", "text": "Ary hoy ny olon\u2019 i Davida taminy: He! at\u1ef3 Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina? " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:4", "text": "Dia nanontany tamin\u2019 i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaing\u00e0, mid\u00ecna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao. " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:5", "text": "Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin\u2019 ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin\u2019 i Davida ny mponina tao Keila. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:6", "text": "Ary raha nandositra nankany amin\u2019 i Davida tany Keila Abiatara, zanak\u2019 i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-t\u00e0nany izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:7", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin\u2019 ny tan\u00e0na misy vavahady mihidy. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:8", "text": "Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an\u2019 i Davida sy ny olony. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:9", "text": "Ary fantatr\u2019 i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin\u2019 i Abiatara mpisorona: Ento et\u1ef3 ny efoda. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:10", "text": "Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, efa ren\u2019 ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankat\u1ef3 Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:11", "text": "Ka moa ny mponina et\u1ef3 Keila hanolotra ahy ho eo an-t\u00e0nany va? Hidina et\u1ef3 va Saoly toy ny efa ren\u2019 ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, mifona aminao aho, ambarao amin\u2019 ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:12", "text": "Dia hoy Davida: Ny mponina et\u1ef3 Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:13", "text": "Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin\u2019 izay azony naleha. Ary nolazaina tamin\u2019 i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:14", "text": "Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin\u2019 ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin\u2019 ny tany havoana tany an-efitr\u2019 i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan\u2019 andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-t\u00e0nany. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:15", "text": " Ary hitan\u2019 i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr\u2019 i Zifa tany anaty ala. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:16", "text": "Ary Jonatana, zanak\u2019 i Saoly, niainga, dia nankany amin\u2019 i Davida tany an\u2019 ala ka nampahery ny t\u00e0nany tamin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:17", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny t\u00e0nan\u2019 i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin\u2019 ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr\u2019 i Saoly raiko koa izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:18", "text": "Ary nanao fanekena teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an\u2019 ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:19", "text": "Ary niakatra nankany amin\u2019 i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin\u2019 ny batery fiarovana any an\u2019 ala, any amin\u2019 ny havoana Hakila, izay atsimon\u2019 ny efitra, va Davida? " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:20", "text": "Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian\u2019 ny fonao hidina, dia mid\u00ecna ianao, fa azonay hatolotra eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanjaka izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:21", "text": "Ary hoy Saoly: Hotahin\u2019 i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:22", "text": "Mas\u00ecna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:23", "text": "Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena et\u1ef3 amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin\u2019 ny tany izy, dia hotadiaviko eran\u2019 ny arivon\u2019 i Joda rehetra. " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:24", "text": "Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an\u2019 i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin\u2019 ny efitr\u2019 i Maona, tamin\u2019 ny tani-hay atsimon\u2019 ny efitra. " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:25", "text": "Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin\u2019 i Davida izany, ka dia nidina tany amin\u2019 ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr\u2019 i Maona. Ary nony ren\u2019 i Saoly izany, dia nanenjika an\u2019 i Davida tany an-efitr\u2019 i Maona izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:26", "text": "Ary Saoly nandeha tamin\u2019 ny ilan\u2019 ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin\u2019 ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an\u2019 i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an\u2019 i Davida sy ny olony hisambotra azy. " }, { "verse": 27, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:27", "text": "Dia nisy iraka tonga tao amin\u2019 i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany. " }, { "verse": 28, "chapter": 23, "name": "I Samuel 23:28", "text": "Dia niverina Saoly tamin\u2019 ny nanenjehany an\u2019 i Davida ary nandeha niady tamin\u2019 ny Filistina; ary ny anaran\u2019 izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "I Samuel 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:1", "text": " Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin\u2019 ny batery fiarovana tany En-jedy. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:2", "text": "Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr\u2019 i En-jedy. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:3", "text": "Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin\u2019 ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an\u2019 i Davida sy ny olony tany amin\u2019 ny vatolampin\u2019 ny osi-dia. " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:4", "text": "Ary tonga teo amin\u2019 ny valan\u2019 ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin\u2019 ny zohy. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:5", "text": "Ary hoy ny olon\u2019 i Davida taminy: Izao no andro nolazain\u2019 i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin\u2019 ny kap\u00f4tin\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:6", "text": "Nefa nony efa vita izany, dia namely an\u2019 i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin\u2019 ny kap\u00f4tin\u2019 i Saoly, " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:7", "text": "ka hoy izy tamin\u2019 ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan\u2019 i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin\u2019 ny tompoko izay voahosotr\u2019 i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:8", "text": "Dia nampijanona ny mpanompony tamin\u2019 izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an\u2019 i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin\u2019 izay nalehany. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:9", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an\u2019 i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko \u00f4! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin\u2019 ny tany Davida ka niankohoka. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:10", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan\u2019 olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao? " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:11", "text": "Indro, hitan\u2019 ny masonao androany ny nanoloran\u2019 i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin\u2019 ny tompoko aho, fa voahosotr\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:12", "text": "Ary koa, ry ikaky \u00f4, jereo dia jereo ange ny sisin\u2019 ny kap\u00f4tinao et\u1ef3 an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin\u2019 ny kap\u00f4tinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin\u2019 ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:13", "text": "Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:14", "text": "Araka ny lazain\u2019 ny ohabolan\u2019 ny ntaolo hoe: Avy amin\u2019 ny ratsy fanahy no ivoahan\u2019 ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:15", "text": "Hitady an\u2019 iza no nivoahan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:16", "text": "Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin\u2019 ny tananao. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:17", "text": "Ary nony vita izany teny nataon\u2019 i Davida tamin\u2019 i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako \u00f4? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany; " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:18", "text": "ary hoy izy tamin\u2019 i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:19", "text": "Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr\u2019 i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:20", "text": "Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian\u2019 i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:21", "text": "Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan\u2019 ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:22", "text": "Koa miani\u00e0na amiko amin\u2019 i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin\u2019 ny mpianakavin\u2019 ny raiko ny anarako. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "I Samuel 24:23", "text": "Ary Davida dia nianiana tamin\u2019 i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin\u2019 ny batery fiarovana. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "I Samuel 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:1", "text": " Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin\u2019 ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana. " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:2", "text": "Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:3", "text": "Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran\u2019 ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin\u2019 izay ataony; ary isan\u2019 ny taranak\u2019 i Kaleba izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:4", "text": "Ary ren\u2019 i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:5", "text": "Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin\u2019 i Nabala, ka miarahab\u00e0 azy amin\u2019 ny anarako. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:6", "text": "Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin\u2019 ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin\u2019 izay anananao rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:7", "text": "Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin\u2019 ny andro rehetra nitoerany tao Karmela. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:8", "text": "Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); mas\u00ecna ianao, mba omeo amin\u2019 izay azon\u2019 ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao. " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:9", "text": "Ary rehefa tonga ny zatovon\u2019 i Davida, dia niteny tamin\u2019 i Nabala tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka. " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:10", "text": "Fa Nabala namaly ny mpanompon\u2019 i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak\u2019 i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin\u2019 ny tompony. " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:11", "text": "Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an\u2019 ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory? " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:12", "text": "Dia nihodina ny zatovon\u2019 i Davida ka nankany amin\u2019 izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy. " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:13", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin\u2019 ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin\u2019 ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin\u2019 ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an\u2019 i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin\u2019 ny entana. " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:14", "text": "Ary Abigaila, vadin\u2019 i Nabala, dia nilazan\u2019 ny anankiray tamin\u2019 ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin\u2019 ireny izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:15", "text": "Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin\u2019 izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay. " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:16", "text": "Izy no mandanay andro aman\u2019 alina tamin\u2019 ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:17", "text": "Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan\u2019 ny tompontsika mbamin\u2019 ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy. " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:18", "text": "Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran\u2019 ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin\u2019 ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan\u2019 aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin\u2019 ny boriky izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:19", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany. " }, { "verse": 20, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:20", "text": "Ary tamin\u2019 izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin\u2019 ny takon\u2019 ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:21", "text": "Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko. " }, { "verse": 22, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:22", "text": "Mba hataon\u2019 Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon\u2019 i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 23, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:23", "text": "Ary Abigaila, raha nahita an\u2019 i Davida, dia niala faingana tamin\u2019 ny boriky ary niankohoka teo anatrehan\u2019 i Davida ka nitsaoka azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:24", "text": "Dia niankohoka tamin\u2019 ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; mas\u00ecna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin\u2019 ny ankizivavinao. " }, { "verse": 25, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:25", "text": "Mas\u00ecna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao. " }, { "verse": 26, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:26", "text": "Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin\u2019 ny fandatsahan-dr\u00e0 ary tsy hamaly ho an\u2019 ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an\u2019 i Nabala. " }, { "verse": 27, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:27", "text": "Ary izao saotra nentin\u2019 ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko. " }, { "verse": 28, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:28", "text": "Mas\u00ecna ianao, mamel\u00e0 ny fahadisoan\u2019 ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin\u2019 i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin\u2019 ny andro rehetra iainanao. " }, { "verse": 29, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:29", "text": "Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin\u2019 ny fehin\u2019 aina ao amin\u2019 i Jehovah Andriamanitra ny fanahin\u2019 ny tompoko, fa ny fanahin\u2019 ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin\u2019 ny foitran\u2019 antsamotady. " }, { "verse": 30, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:30", "text": "Ary amin\u2019 izany, raha Jehovah mahavita amin\u2019 ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely, " }, { "verse": 31, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:31", "text": "dia tsy ho alahelo na ho nenina amin\u2019 ny fon\u2019 ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-dr\u00e0 foana ianao, na namaly ho an\u2019 ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian\u2019 i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao. " }, { "verse": 32, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:32", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany. " }, { "verse": 33, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:33", "text": "Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin\u2019 ny fandatsahan-dr\u00e0 ary tsy hamaly ho an\u2019 ny tenako. " }, { "verse": 34, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:34", "text": "Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin\u2019 i Nabala ambara-pahazavan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 35, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:35", "text": "Ka dia noraisin\u2019 i Davida teny an-t\u00e0nany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao. " }, { "verse": 36, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:36", "text": "Ary Abigaila dia tonga tao amin\u2019 i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan\u2019 ny mpanjaka, ary faly ny fon\u2019 i Nabala tamin\u2019 izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran\u2019 ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 37, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:37", "text": "Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan\u2019 i Nabala, dia nambaran\u2019 ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato. " }, { "verse": 38, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:38", "text": "Ary nony afaka hafoloana, dia nasian\u2019 i Jehovah Nabala, ka dia maty izy. " }, { "verse": 39, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:39", "text": "Ary nony ren\u2019 i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin\u2019 i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon\u2019 i Nabala dia nampodin\u2019 i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin\u2019 i Abigaila hila azy ho vady. " }, { "verse": 40, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:40", "text": "Ary nony tonga tany amin\u2019 i Abigaila teo Karmela ny mpanompon\u2019 i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankat\u1ef3 aminao hila anao ho vadiny. " }, { "verse": 41, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:41", "text": "Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin\u2019 ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon\u2019 itompokolahy. " }, { "verse": 42, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:42", "text": "Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak\u2019 i Davida izy, ka dia novadiny. " }, { "verse": 43, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:43", "text": "Ary Davida efa nanambady an\u2019 i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy. " }, { "verse": 44, "chapter": 25, "name": "I Samuel 25:44", "text": "Fa Saoly efa nanome an\u2019 i Mikala, zananivavy, vadin\u2019 i Davida, ho vadin\u2019 i Palty, zanak\u2019 i Laisy, avy any Galima. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "I Samuel 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:1", "text": " Ary ny Zifita tonga tao amin\u2019 i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin\u2019 ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida? " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:2", "text": "Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr\u2019 i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin\u2019 ny Isiraely hanaraka azy hitady an\u2019 i Davida any an-efitr\u2019 i Zifa. " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:3", "text": "Ary nitoby tao amin\u2019 ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly. " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:4", "text": "Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly. " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:5", "text": "Dia niainga Davida ka tonga teo amin\u2019 ny nitobian\u2019 i Saoly; ary hitan\u2019 i Davida izay nandrian\u2019 i Saoly sy Abnera, zanak\u2019 i Nera, komandin\u2019 ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin\u2019 ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:6", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak\u2019 i Zeroia, rahalahin\u2019 i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin\u2019 i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:7", "text": "Ary tonga tao amin\u2019 ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin\u2019 ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin\u2019 ny tany teo anilan\u2019 ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:8", "text": "Ary hoy Abisay tamin\u2019 i Davida: Efa voahidin\u2019 Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, mas\u00ecna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin\u2019 ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:9", "text": "Fa hoy Davida tamin\u2019 i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny voahosotr\u2019 i Jehovah ka tsy nanan-tsiny? " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:10", "text": "Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin\u2019 ny ady izy, ka any no hahafaty azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:11", "text": "Sanatria amiko eo anatrehan\u2019 i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr\u2019 i Jehovah aho; fa mas\u00ecna ianao, ny lefona eo anilan\u2019 ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:12", "text": "Dia nalain\u2019 i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan\u2019 ny lohan\u2019 i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon\u2019 i Jehovah renoky ny torimaso izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:13", "text": "Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan\u2019 izy roa tonta); " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:14", "text": "ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak\u2019 i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan\u2019 ny mpanjaka? " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:15", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin\u2019 ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin\u2019 ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao. " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:16", "text": "Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr\u2019 i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon\u2019 ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan\u2019 ny lohany? " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:17", "text": "Ary fantatr\u2019 i Saoly ny feon\u2019 i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:18", "text": "Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin\u2019 ny tanako? " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:19", "text": "Ary ankehitriny mas\u00ecna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin\u2019 ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak\u2019 olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan\u2019 i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin\u2019 ny lova nomen\u2019 i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa. " }, { "verse": 20, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:20", "text": "Koa aza avela ho latsaka amin\u2019 ny tany lavitra an\u2019 i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:21", "text": "Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra. " }, { "verse": 22, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:22", "text": "Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon\u2019 ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:23", "text": "Ny lehilahy izay nanoloran\u2019 i Jehovah anao teo an-t\u00e0nany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr\u2019 i Jehovah aho. " }, { "verse": 24, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:24", "text": "Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan\u2019 i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin\u2019 ny fahoriana rehetra. " }, { "verse": 25, "chapter": 26, "name": "I Samuel 26:25", "text": "Ary hoy Saoly tamin\u2019 i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "I Samuel 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:1", "text": " Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin\u2019 ny t\u00e0nany aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:2", "text": "Ary niainga Davida nandeha mbamin\u2019 ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin\u2019 i Akisy, zanak\u2019 i Maoka, mpanjakan\u2019 i Gata. " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:3", "text": "Ary nitoetra tao amin\u2019 i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban\u2019 ny ankohonany avy, ary Davida mbamin\u2019 ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin\u2019 i Nabala. " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:4", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:5", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin\u2019 ny tan\u00e0na anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin\u2019 ny renivohitry ny fanjakana? " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:6", "text": "Dia nomen\u2019 i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda ambaraka androany Ziklaga. " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:7", "text": "Ary ny andro nitoeran\u2019 i Davida tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:8", "text": "Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin\u2019 ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin\u2019 i Sora, hatramin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:9", "text": "Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman\u2019 osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin\u2019 i Akisy. " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:10", "text": "Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an\u2019 i Joda sy izay an\u2019 ny Jeramelita ary izay an\u2019 ny Kenita izahay. " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:11", "text": "Ary tsy nisy novelomin\u2019 i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon\u2019 i Davida, ary toy izany no fanaony tamin\u2019 ny andro rehetra nitoerany tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "I Samuel 27:12", "text": "Ary Akisy nino an\u2019 i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin\u2019 ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 28, "name": "I Samuel 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:1", "text": " Ary tamin\u2019 izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin\u2019 i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao. " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:2", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Akisy: Amin\u2019 izao dia ho fantatrao tokoa izay hain\u2019 ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin\u2019 i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao. " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:3", "text": "(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tan\u00e0nany. Ary efa noroahin\u2019 i Saoly hiala amin\u2019 ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.) " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:4", "text": "Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:5", "text": "Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan\u2019 ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:6", "text": "Ary Saoly dia nanontany tamin\u2019 i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin\u2019 ny nofy, na tamin\u2019 ny Orima, na tamin\u2019 ny mpaminany. " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:7", "text": "Ary hoy Saoly tamin\u2019 ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora. " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:8", "text": "Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Mas\u00ecna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin\u2019 ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho et\u1ef3 amiko izay hotononiko aminao. " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:9", "text": "Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon\u2019 i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin\u2019 ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy? " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:10", "text": "Ary Saoly nianiana tamin\u2019 i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin\u2019 izao zavatra izao. " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:11", "text": "Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho et\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:12", "text": "Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin\u2019 ny feo mafy izy ka nanao tamin\u2019 i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly. " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:13", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin\u2019 i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin\u2019 ny tany no hitako. " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:14", "text": "Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikap\u00f4ty izy. Ary fantatr\u2019 i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin\u2019 ny tany izy ka niankohoka. " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:15", "text": "Ary hoy Samoela tamin\u2019 i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin\u2019 ny mpaminany, na amin\u2019 ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko. " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:16", "text": "Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao. " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:17", "text": "Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin\u2019 ny tananao ny fanjakana ka nomeny an\u2019 i Davida namanao. " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:18", "text": "Satria tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin\u2019 ny Amalekita, dia izany no nanaovan\u2019 i Jehovah izao zavatra izao taminao androany. " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:19", "text": "Ary hiaraka hatolotr\u2019 i Jehovah ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho et\u1ef3 amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan\u2019 ny Isiraely koa dia hatolotr\u2019 i Jehovah eo an-t\u00e0nan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:20", "text": "Dia lavo niampatra tamin\u2019 ny tany niaraka tamin\u2019 izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin\u2019 i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:21", "text": "Ary nankao amin\u2019 i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko. " }, { "verse": 22, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:22", "text": "Koa ankehitriny, mas\u00ecna ianao, mba henoy kosa ny tenin\u2019 ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin\u2019 ny alehanao ianao. " }, { "verse": 23, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:23", "text": "Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara. " }, { "verse": 24, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:24", "text": "Ary ravehivavy nanana zanak\u2019 omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira. " }, { "verse": 25, "chapter": 28, "name": "I Samuel 28:25", "text": "Ary narosony teo anoloan\u2019 i Saoly sy teo anoloan\u2019 ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin\u2019 iny alina iny ihany. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "I Samuel 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:1", "text": " Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan\u2019 ny loharano ao Jezirela. " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:2", "text": "Ary ireo andrianan\u2019 ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan\u2019 arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin\u2019 i Akisy. " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:3", "text": "Ary hoy ireo andrianan\u2019 ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin\u2019 ireo andrianan\u2019 ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon\u2019 i Saoly, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, ilay tat\u1ef3 amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany? " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:4", "text": "Dia tezitra taminy ireo andrianan\u2019 ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin\u2019 ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin\u2019 inona no hahazoan\u2019 io sitraka amin\u2019 ny tompony? Tsy amin\u2019 ny lohan\u2019 ireto olona ireto va? " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:5", "text": "Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: \u201cSaoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?\u201d " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:6", "text": "Ary Akisy niantso an\u2019 i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak\u2019 ireo andriana ireo ianao. " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:7", "text": "Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak\u2019 ireo andrianan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:8", "text": "Fa hoy Davida tamin\u2019 i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin\u2019 ny mpanomponao hatrizay nitoerako tat\u1ef3 aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin\u2019 ny fahavalon\u2019 ny mpanjaka tompoko? " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:9", "text": "Ary Akisy namaly an\u2019 i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin\u2019 Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan\u2019 ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:10", "text": "Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin\u2019 ny mpanompon\u2019 ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana. " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "I Samuel 29:11", "text": "Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela. " } ] }, { "chapter": 30, "name": "I Samuel 30", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:1", "text": " Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin\u2019 ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an\u2019 i Ziklaga sy nandoro azy tamin\u2019 ny afo; " }, { "verse": 2, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:2", "text": "ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:3", "text": "Ary Davida sy ny olony tonga tao amin\u2019 ny tan\u00e0na, ary, indro, efa levon\u2019 ny afo ny tan\u00e0na; ary ny vadiny mbamin\u2019 ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo. " }, { "verse": 4, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:4", "text": "Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:5", "text": "Ary voababo koa izy roa vavy vadin\u2019 i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin\u2019 i Nabala Karmelita. " }, { "verse": 6, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:6", "text": "Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny. " }, { "verse": 7, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:7", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Abiatara mpisorona, zanak\u2019 i Ahimeleka: Mas\u00ecna ianao, ento et\u1ef3 amiko ny efoda. Dia nentin\u2019 i Abiatara teo amin\u2019 i Davida ny efoda. " }, { "verse": 8, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:8", "text": "Ary Davida nanontany tamin\u2019 i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao. " }, { "verse": 9, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:9", "text": "Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin\u2019 ny renirano Besora, ary teo no nijanonan\u2019 ny sasany. " }, { "verse": 10, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:10", "text": "Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana. " }, { "verse": 11, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:11", "text": "Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin\u2019 i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:12", "text": "Ary nomeny ampempan\u2019 aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan\u2019 andro sy hateloan\u2019 alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano. " }, { "verse": 13, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:13", "text": "Ary hoy Davida taminy: An\u2019 iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon\u2019 ny Amalekita anankiray, aho; ary narian\u2019 ny tompoko aho, fa narary afaka omaly. " }, { "verse": 14, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:14", "text": "Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an\u2019 ny Keretita sy ny an\u2019 i Joda ary ny tany atsimo izay an\u2019 i Kaleba ary nandoro an\u2019 i Ziklaga tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 15, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:15", "text": "Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy mid\u00ecna ho amin\u2019 izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Miani\u00e0na amiko amin\u2019 Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny tompoko, dia hitondra anao mid\u00ecna ho amin\u2019 izany jirika izany aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:16", "text": "Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran\u2019 ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben\u2019 ny babo rehetra izay azony tamin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina sy ny tanin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 17, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:17", "text": "Ary Davida namely azy tamin\u2019 iny takariva iny ka hatramin\u2019 ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra. " }, { "verse": 18, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:18", "text": "Dia rarak\u2019 i Davida izay rehetra efa nobaboin\u2019 ny Amalekita; ary dia azon\u2019 i Davida koa ny vadiny roa. " }, { "verse": 19, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:19", "text": "Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin\u2019 izay nobaboin\u2019 ireny; izany rehetra izany dia azon\u2019 i Davida avokoa. " }, { "verse": 20, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:20", "text": "Ary Davida naka ny ondry aman\u2019 osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon\u2019 i Davida. " }, { "verse": 21, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:21", "text": "Ary Davida tonga teo amin\u2019 ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin\u2019 ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an\u2019 i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin\u2019 ny olona Davida, dia nanontany izay toeny. " }, { "verse": 22, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:22", "text": "Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an\u2019 i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:23", "text": "Fa hoy Davida: Aza manao izany amin\u2019 izay nomen\u2019 i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika. " }, { "verse": 24, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:24", "text": "Koa iza no hanaiky anareo amin\u2019 izany? Fa tahaka ny anjaran\u2019 izay nidina hiady ihany no ho anjaran\u2019 izay nitoetra tamin\u2019 ny entana: hiara-misalahy izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:25", "text": "Dia izany no fanao hatramin\u2019 izany andro izany, ka dia natao didy sy lal\u00e0na tamin\u2019 ny Isiraely izany ambaraka androany. " }, { "verse": 26, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:26", "text": "Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an\u2019 ny loholon\u2019 ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin\u2019 ny babo azo tamin\u2019 ny fahavalon\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 27, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:27", "text": "dia ho an\u2019 izay ao Betela sy izay any Ramata amin\u2019 ny tany atsimo sy ho an\u2019 izay ao Jatira " }, { "verse": 28, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:28", "text": "sy ho an\u2019 izay ao Aroera sy ho an\u2019 izay ao Sifmota sy ho an\u2019 izay ao Estemoa " }, { "verse": 29, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:29", "text": "sy ho an\u2019 izay ao Rakala sy ho an\u2019 izay any an-tan\u00e0nan\u2019 ny Jeramelita sy ho an\u2019 izay any an-tan\u00e0nan\u2019 ny Kenita " }, { "verse": 30, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:30", "text": "sy ho an\u2019 izay ao Horma sy ho an\u2019 izay ao Korasana sy ho an\u2019 izay ao Ataka " }, { "verse": 31, "chapter": 30, "name": "I Samuel 30:31", "text": "sy ho an\u2019 izay ao Hebrona ary ho an\u2019 izay any amin\u2019 ny tany rehetra nandehandehanan\u2019 i Davida sy ny olony. " } ] }, { "chapter": 31, "name": "I Samuel 31", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:1", "text": " Ary ny Filistina niady tamin\u2019 ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan\u2019 ny Filistina ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty. " }, { "verse": 2, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:2", "text": "Ary ny Filistina nanenjika mafy an\u2019 i Saoly sy ny zanany, ka matin\u2019 ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 3, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:3", "text": "Ary mafy ny ady tamin\u2019 i Saoly, dia nifanehatra tamin\u2019 ny mpandefa tsip\u00ecka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsip\u00ecka. " }, { "verse": 4, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:4", "text": "Ary hoy Saoly tamin\u2019 ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain\u2019 i Saoly ny sabatra ka nianjerany. " }, { "verse": 5, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:5", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin\u2019 ny sabany koa izy ka niara-maty taminy. " }, { "verse": 6, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:6", "text": "Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:7", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely teny an-dafin\u2019 ny lohasaha sy teny an-dafin\u2019 i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tan\u00e0na izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao. " }, { "verse": 8, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:8", "text": "Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin\u2019 ny maty ny Filistina, dia nahita an\u2019 i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:9", "text": "Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin\u2019 ny tranon\u2019 ny sampiny sy amin\u2019 ny olona. " }, { "verse": 10, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:10", "text": "Dia napetrany tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin\u2019 ny m\u00e0ndan\u2019 i Beti-sana. " }, { "verse": 11, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:11", "text": "Ary nony ren\u2019 ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon\u2019 ny Filistina tamin\u2019 i Saoly, " }, { "verse": 12, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:12", "text": "dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin\u2019 i Saoly sy ny fatin\u2019 ny zanany teo amin\u2019 ny m\u00e0ndan\u2019 i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao. " }, { "verse": 13, "chapter": 31, "name": "I Samuel 31:13", "text": "Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin\u2019 ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy. " } ] } ] }, { "name": "II Samuel", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "II Samuel 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:1", "text": " Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:2", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin\u2019 i Davida izy, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany ka nitsaoka. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:3", "text": "Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin\u2019 ny tobin\u2019 ny Isiraely aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:4", "text": "Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Mas\u00ecna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin\u2019 ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:5", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:6", "text": "Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin\u2019 ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:7", "text": "Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:8", "text": "Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:9", "text": "Ary hoy indray izy tamiko: Mas\u00ecna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:10", "text": "Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin\u2019 ny sandriny, ka nentiko et\u1ef3 amin\u2019 ny tompoko izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:11", "text": "Dia noraisin\u2019 i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:12", "text": "Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan\u2019 ny andro izy noho ny amin\u2019 i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon\u2019 i Jehovah ary ny taranak\u2019 Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:13", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:14", "text": "Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:15", "text": "Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:16", "text": "ary hoy Davida taminy: Aoka ny r\u00e0nao ho eo amin\u2019 ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:17", "text": "Ary Davida nisaona an\u2019 i Saoly sy Jonatana zanany tamin\u2019 izao hira fisaonana izao " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:18", "text": "(ary nasainy nampianarina ny taranak\u2019 i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin\u2019 ny Bokin\u2019 i Jasara izany): " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:19", "text": "Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin\u2019 ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:20", "text": "Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben\u2019 i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin\u2019 ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin\u2019 ny tsy mifora. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:21", "text": "Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman\u2019 orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan\u2019 ny mahery, Dia ny ampingan\u2019 i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:22", "text": "Ny tsip\u00eckan\u2019 i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran\u2019 ny maty sy ny tavin\u2019 ny mahery; ary ny sabatr\u2019 i Saoly tsy mba niverina foana. " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:23", "text": "Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin\u2019 ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:24", "text": "Ry zanakavavin\u2019 Isiraely, mitomania an\u2019 i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:25", "text": "Endrey! lavo teo amin\u2019 ny ady ny mahery voalefona teo amin\u2019 ny havoananao Jonatana. " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:26", "text": "Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan\u2019 ny vehivavy. " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "II Samuel 1:27", "text": "Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana! " } ] }, { "chapter": 2, "name": "II Samuel 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:1", "text": " Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin\u2019 i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:2", "text": "Dia niakatra nankany Davida mbamin\u2019 ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin\u2019 i Nabala Karmelita. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:3", "text": "Ary ny olona izay tao amin\u2019 i Davida mbamin\u2019 ny ankohonan\u2019 ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin\u2019 ny tan\u00e0na momba an\u2019 i Hebrona izy ireo. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:4", "text": "Ary dia avy ny lehilahy amin\u2019 ny Joda ka nanosotra an\u2019 i Davida tao mba ho mpanjaka amin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda. Ary nisy nanambara tamin\u2019 i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:5", "text": "Ary Davida dia naniraka olona hankany amin\u2019 ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin\u2019 i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin\u2019 i Saoly tomponareo tamin\u2019 ny nandevenanareo azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:6", "text": "Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:7", "text": "Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran\u2019 ny firenen\u2019 i Joda ho mpanjakany. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:8", "text": "Fa Abnera, zanak\u2019 i Nera, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Saoly, efa naka an\u2019 Isboseta, zanakalahin\u2019 i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima, " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:9", "text": "dia nampanjaka azy tamin\u2019 i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:10", "text": "(Ary efa-polo taona no nahaveloman\u2019 Isboseta, zanak\u2019 i Saoly, fony izy vao nanjaka amin\u2019 ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen\u2019 i Joda nomba an\u2019 i Davida. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:11", "text": "Ary ny andro nanjakan\u2019 i Davida tao Hebrona tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda dia fito taona sy enim-bolana. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:12", "text": "Ary Abnera, zanak\u2019 i Nera, sy ny mpanompon\u2019 Isboseta, zanak\u2019 i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:13", "text": "Ary Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, sy ny mpanompon\u2019 i Davida nivoaka ka nihaona tamin\u2019 ireo teo amoron\u2019 ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin\u2019 ny lafin\u2019 ny kamory avy izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:14", "text": "Ary hoy Abnera tamin\u2019 i Joaba: Mas\u00ecna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:15", "text": "Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin\u2019 ny folo lahy tamin\u2019 ny Benjamina, izay an\u2019 Isboseta, zanak\u2019 i Saoly, ary roa ambin\u2019 ny folo lahy koa tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Davida. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:16", "text": "Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin\u2019 ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:17", "text": "Ary mafy ny ady tamin\u2019 izany andro izany; ary dia resy teo anoloan\u2019 ny mpanompon\u2019 i Davida Abnera sy ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:18", "text": "Ary mba teo koa izy telo lahy zanak\u2019 i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:19", "text": "Ary Asahela nanenjika an\u2019 i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an\u2019 i Abnera dia tsy nivily akory na tamin\u2019 ny ankavanana na tamin\u2019 ny ankavia. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:20", "text": "Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:21", "text": "Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:22", "text": "Ary hoy indray Abnera tamin\u2019 i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin\u2019 ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an\u2019 i Joaba rahalahinao? " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:23", "text": "Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian\u2019 i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin\u2019 izay. Ary izay rehetra tonga teo amin\u2019 ilay nikarapohan\u2019 i Asahela sy nahafatesany dia nijanona. " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:24", "text": "Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an\u2019 i Abnera; ka nony tonga teo amin\u2019 ny havoana Ama izy, izay tandrifin\u2019 i Gia amin\u2019 ny lalana mankany amin\u2019 ny efitr\u2019 i Gibeona, dia maty ny masoandro. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:25", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Benjamina niangona teo amin\u2019 i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon\u2019 ny havoana anankiray. " }, { "verse": 26, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:26", "text": "Ary Abnera niantso an\u2019 i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran\u2019 izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny? " }, { "verse": 27, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:27", "text": "Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory. " }, { "verse": 28, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:28", "text": "Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:29", "text": "Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an\u2019 i Jordana sy namaky an\u2019 i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:30", "text": "Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an\u2019 i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin\u2019 ny folo lahy ihany mbamin\u2019 i Asahela no tsy teo ny mpanompon\u2019 i Davida. " }, { "verse": 31, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:31", "text": "Fa ny mpanompon\u2019 i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin\u2019 ny Benjamita sy ny olon\u2019 i Abnera. " }, { "verse": 32, "chapter": 2, "name": "II Samuel 2:32", "text": "Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin\u2019 ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "II Samuel 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:1", "text": " Ary naharitra ela ny adin\u2019 ny tamingan\u2019 i Saoly sy ny tamingan\u2019 i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan\u2019 i Saoly kosa nihahosa. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:2", "text": "Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin\u2019 i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany; " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:3", "text": "ary Kileaba, tamin\u2019 i Abigaila, ilay novinadin\u2019 i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak\u2019 i Maka, zanakavavin\u2019 i Talmay, mpanjakan\u2019 i Gesora; " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:4", "text": "ary ny fahefatra dia Adonia, zanak\u2019 i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak\u2019 i Abitala; " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:5", "text": "ary ny fahenina dia Jitreama, tamin\u2019 i Egla, vadin\u2019 i Davida. Ireo no naterak\u2019 i Davida tao Hebrona. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:6", "text": "Ary raha mbola niady ny tamingan\u2019 i Davida sy ny tamingan\u2019 i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin\u2019 ny tamingan\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:7", "text": "(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin\u2019 i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin\u2019 i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon\u2019 ikaky? " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:8", "text": "Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin\u2019 Isboseta, ka hoy izy: Lohan\u2019 alika no miandany amin\u2019 ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan\u2019 i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin\u2019 iny vehivavy iny? " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:9", "text": "Hataon\u2019 Andriamanitra amin\u2019 i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Davida, " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:10", "text": "ka hampiala ny fanjakana amin\u2019 ny tamingan\u2019 i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan\u2019 i Davida amin\u2019 ny Isiraely sy amin\u2019 ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:11", "text": "Dia tsy nahavaly an\u2019 i Abnera intsony izy noho ny tahony azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:12", "text": "Ary Abnera dia naniraka olona tany amin\u2019 i Davida niaraka tamin\u2019 izay hanao hoe: An\u2019 iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:13", "text": "Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao at\u1ef3 Mikala, zanakavavin\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:14", "text": "Ary Davida naniraka olona nankany amin\u2019 Isboseta, zanakalahin\u2019 i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin\u2019 ny mariky ny fahafatesan\u2019 ny Filistina zato lahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:15", "text": "Ary Isboseta naniraka naka an\u2019 i Mikala tany amin\u2019 i Paltiela vadiny, zanak\u2019 i Laisy. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:16", "text": "Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:17", "text": "Ary Abnera efa niteny tamin\u2019 ny loholon\u2019 ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an\u2019 i Davida ho mpanjakanareo; " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:18", "text": "koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an\u2019 i Davida hoe: Amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina sy amin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalony rehetra. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:19", "text": "Ary Abnera efa niteny tamin\u2019 ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin\u2019 i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian\u2019 ny Isiraely sy ny taranak\u2019 i Benjamina rehetra hatao. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:20", "text": "Dia tonga tany amin\u2019 i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an\u2019 i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:21", "text": "Ary hoy Abnera tamin\u2019 i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho et\u1ef3 aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin\u2019 izay rehetra irin\u2019 ny fonao. Ary Davida nampandeha an\u2019 i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:22", "text": "Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an\u2019 i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin\u2019 i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:23", "text": "Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin\u2019 i Joaba hoe: Tonga tao amin\u2019 ny mpanjaka Abnera, zanak\u2019 i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:24", "text": "Ary Joaba nankao amin\u2019 ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy? " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:25", "text": "Fantatrao anefa ny amin\u2019 i Abnera, zanak\u2019 i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao. " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:26", "text": "Dia nivoaka Joaba avy tao amin\u2019 i Davida ka naniraka olona hanaraka an\u2019 i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin\u2019 ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr\u2019 i Davida izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:27", "text": "Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin\u2019 i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin\u2019 ny kibony ka matiny ho todin\u2019 ny ran\u2019 i Asahela rahalahiny. " }, { "verse": 28, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:28", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan\u2019 i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin\u2019 ny ran\u2019 i Abnera, zanak\u2019 i Nera. " }, { "verse": 29, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:29", "text": "Hitsingerina amin\u2019 ny lohan\u2019 i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin\u2019 izany; ary tsy ho tapaka amin\u2019 ny taranak\u2019 i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin\u2019 ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina. " }, { "verse": 30, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:30", "text": "Toy izany no namonoan\u2019 i Joaba sy Abisay rahalahiny an\u2019 i Abnera noho ny namonoany an\u2019 i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin\u2019 ny ady. " }, { "verse": 31, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:31", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misik\u00ecna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan\u2019 i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona. " }, { "verse": 32, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:32", "text": "Dia nandevina an\u2019 i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin\u2019 ny fasan\u2019 i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa. " }, { "verse": 33, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:33", "text": "Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an\u2019 i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan\u2019 ny adala va no tokony ho nahafatesan\u2019 i Abnera? " }, { "verse": 34, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:34", "text": "Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok\u2019 izay asian\u2019 ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray. " }, { "verse": 35, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:35", "text": "Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an\u2019 i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon\u2019 Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro. " }, { "verse": 36, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:36", "text": "Ary azon\u2019 ny vahoaka rehetra ny hevitr\u2019 izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 37, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:37", "text": "Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin\u2019 izany andro izany fa tsy avy tamin\u2019 ny mpanjaka no nahafaty an\u2019 i Abnera, zanak\u2019 i Nera. " }, { "verse": 38, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:38", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin\u2019 ny Isiraely? " }, { "verse": 39, "chapter": 3, "name": "II Samuel 3:39", "text": "Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak\u2019 i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "II Samuel 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:1", "text": " Ary nony ren\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:2", "text": "Ary nisy roa lahy, lehiben\u2019 ny mpitohan\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Saoly, Bana no anaran\u2019 ny iray, ary Rekaba no anaran\u2019 ny iray, samy zanak\u2019 i Rimona Berotita tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan\u2019 ny an\u2019 i Benjamina; " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:3", "text": "ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany). " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:4", "text": "Ary Jonatana, zanak\u2019 i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin\u2019 i Saoly sy Jonatana; ary nentin\u2019 ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin\u2019 ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:5", "text": "Ary Rekaba sy Bana, zanak\u2019 i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon\u2019 Isboseta, tamin\u2019 ilay izy nandriandry tamin\u2019 ny antoandro iny. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:6", "text": "Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin\u2019 ny kibony, dia lasa nandositra. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:7", "text": "Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin\u2019 ny fandriany tao amin\u2019 ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:8", "text": "Ary nitondra ny lohan\u2019 Isboseta tany amin\u2019 i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin\u2019 ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan\u2019 Isboseta, zanak\u2019 i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an\u2019 i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin\u2019 ny mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:9", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak\u2019 i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin\u2019 ny fahoriana rehetra, " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:10", "text": "ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga, hanomezako azy ny valin\u2019 ny teny mahafaly nentiny; " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:11", "text": "koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny r\u00e0ny, ary tsy hofongorako tsy ho amin\u2019 ny tany intsony va ianareo " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "II Samuel 4:12", "text": "Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan\u2019 ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan\u2019 Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan\u2019 i Abnera tao Hebrona. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "II Samuel 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:1", "text": " Dia tonga tao amin\u2019 i Davida tao Hebrona ny firenen\u2019 Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:2", "text": "Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:3", "text": "Eny, tonga tao amin\u2019 ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary dia nanosotra an\u2019 i Davida ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:4", "text": "Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:5", "text": "Tao Hebrona no nanjakany tamin\u2019 ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin\u2019 ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:6", "text": "Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin\u2019 ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin\u2019 i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:7", "text": "Kanjo afak\u2019 i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izany). " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:8", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin\u2019 ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan\u2019 ny fon\u2019 i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:9", "text": "Dia nitoetra tao anatin\u2019 ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tan\u00e0nan\u2019 i Davida. Ary narafitr\u2019 i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin\u2019 ny ao anatiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:10", "text": "Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:11", "text": " Ary Hirama, mpanjakan\u2019 i Tyro, naniraka olona tany amin\u2019 i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an\u2019 i Davida ireo. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:12", "text": "Dia fantatr\u2019 i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin\u2019 ny Isiraely olony. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:13", "text": "Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak\u2019 i Davida. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:14", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:15", "text": "sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:16", "text": "sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:17", "text": " Koa nony ren\u2019 ny Filistina fa efa nohosoran\u2019 ny olona ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren\u2019 i Davida izany dia nidina tao amin\u2019 ny batery fiarovana izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:18", "text": "Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin\u2019 ny Lohasahan\u2019 ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:19", "text": "Ary Davida nanontany tamin\u2019 i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:20", "text": "Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran\u2019 izany tany izany hoe Bala-perazima. " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:21", "text": "Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan\u2019 i Davida sy ny olony ireny. " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:22", "text": "Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin\u2019 ny Lohasahan\u2019 ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:23", "text": "Ary nanontany tamin\u2019 i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny hazo balsama. " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:24", "text": "Ary raha toa mahare fingadongadon\u2019 olona eny amin\u2019 ny tendron\u2019 ny hazo balsama ianao, dia faing\u00e0na; fa amin\u2019 izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "II Samuel 5:25", "text": "Ary dia nanao araka ny nandidian\u2019 i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin\u2019 i Gazera izy. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "II Samuel 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:1", "text": " Ary novorin\u2019 i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin\u2019 ny Isiraely, dia telo alina. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:2", "text": "Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran\u2019 Andriamanitra izay niantsoana ny anaran\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, Izay mipetraka amin\u2019 ny kerobima. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:3", "text": "Ary nataony teo amin\u2019 ny sariety vaovao ny fiaran\u2019 Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon\u2019 i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak\u2019 i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:4", "text": "Ary dia nentiny niala tao an-tranon\u2019 i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin\u2019 ny fiaran\u2019 Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan\u2019 ny fiara. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:5", "text": "Ary Davida sy ny taranak\u2019 Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny karazan\u2019 ny zava-maneno rehetra natao tamin\u2019 ny hazo kypreso, dia tamin\u2019 ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:6", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 ny famoloan\u2019 i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin\u2019 ny fiaran\u2019 Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran\u2019 ny omby ny fiara. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:7", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 i Oza ny fahatezeran\u2019 i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan\u2019 ny fiaran\u2019 Andriamanitra izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:8", "text": "Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan\u2019 i Jehovah an\u2019 i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran\u2019 izany tany izany mandraka androany. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:9", "text": "Ary Davida natahotra an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina at\u1ef3 amiko ny fiaran\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:10", "text": "Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran\u2019 i Jehovah ho ao aminy ao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon\u2019 i Obed-edoma Gatita. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:11", "text": "Ary nipetraka telo volana tao an-tranon\u2019 i Obed-edoma Gatita ny fiaran\u2019 i Jehovah; ka dia notahin\u2019 i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:12", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan\u2019 i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran\u2019 Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran\u2019 Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon\u2019 i Obed-edoma ho any an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:13", "text": "Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran\u2019 i Jehovah, dia namono omby sy zanak\u2019 omby mifahy izy hatao fanatitra. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:14", "text": "Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan\u2019 i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:15", "text": "Ary Davida sy ny taranak\u2019 i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny hoby sy ny feon\u2019 ny anjomara. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:16", "text": "Ary nony tonga teo an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida ny fiaran\u2019 i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin\u2019 i Saoly, ka nahita an\u2019 i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan\u2019 i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:17", "text": "Ary nampiditra ny fiaran\u2019 i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin\u2019 ny fitoerany tao amin\u2019 ny lay izay naorin\u2019 i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:18", "text": "Ary nony voatitr\u2019 i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:19", "text": "Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:20", "text": "Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin\u2019 i Saoly, nivoaka hitsena an\u2019 i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:21", "text": "Ary hoy kosa Davida tamin\u2019 i Mikala: Teo anatrehan\u2019 i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon\u2019 i Jehovah, eny, teo anatrehan\u2019 i Jehovah no nitsinjahako. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:22", "text": "Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin\u2019 ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "II Samuel 6:23", "text": "Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin\u2019 i Saoly. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "II Samuel 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:1", "text": " Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny fahavalony rehetra manodidina azy izy, " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:2", "text": "dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin\u2019 ny trano sedera, nefa ny fiaran\u2019 Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay! " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:3", "text": "Dia hoy Natana tamin\u2019 ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:4", "text": "Ary tamin\u2019 ny alin\u2019 iny ihany dia tonga tamin\u2019 i Natana ny tenin\u2019 i Jehovah nanao hoe: " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:5", "text": "Andeha, lazao amin\u2019 i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako? " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:6", "text": "Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin\u2019 ny nitondrako ny Zanak\u2019 Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:7", "text": "Ary tamin\u2019 izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen\u2019 Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo? " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:8", "text": "Koa lazao amin\u2019 i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin\u2019 ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:9", "text": "Ary nomba anao tamin\u2019 izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran\u2019 izay lehibe ambonin\u2019 ny tany ianao. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:10", "text": "Ary hifidy tany ho an\u2019 ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin\u2019 ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:11", "text": "sy tahaka ny hatramin\u2019 ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin\u2019 ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain\u2019 i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:12", "text": "Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin\u2019 ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany; " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:13", "text": "dia io no hanao trano ho an\u2019 ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakany ho mandrakizay. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:14", "text": "Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin\u2019 ny tsorakazon\u2019 ny olona sy ny kapoky ny zanak\u2019 olombelona; " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:15", "text": "nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin\u2019 i Saoly, izay nesoriko teo alohanao. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:16", "text": "Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:17", "text": "Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain\u2019 i Natana tamin\u2019 i Davida. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:18", "text": "Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan\u2019 i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo \u00f4? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho? " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:19", "text": "Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo \u00f4, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin\u2019 ny taranaky ny mpanomponao hatramin\u2019 ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon\u2019 ny olona, Jehovah Tompo \u00f4. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:20", "text": "Ka inona intsony no holazain\u2019 i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo \u00f4, no mahalala ny mpanomponao. " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:21", "text": "Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:22", "text": "Koa amin\u2019 izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren\u2019 ny sofinay. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:23", "text": "Ary aiza moa no misy firenena et\u1ef3 an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan\u2019 Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an\u2019 ny taninao teo anatrehan\u2019 ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Egypta sy ny andriamaniny? " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:24", "text": "Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah \u00f4, no efa tonga Andriamaniny. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:25", "text": "Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra \u00f4, ilay teny nolazainao ny amin\u2019 ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:26", "text": "Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak\u2019 i Davida mpanomponao. " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:27", "text": "Fa Hianao, Jehovah Tompon\u2019 ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin\u2019 ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon\u2019 ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao. " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:28", "text": "Ary noho izany, Jehovah Tompo \u00f4, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin\u2019 ny mpanomponao, " }, { "verse": 29, "chapter": 7, "name": "II Samuel 7:29", "text": "dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo \u00f4, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "II Samuel 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:1", "text": " Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin\u2019 i Davida tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:2", "text": "Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin\u2019 ny tany ireo ary nohariny tamin\u2019 ny kofehy, ka izay indroan\u2019 ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon\u2019 i Davida ny Moabita ka nandoa hetra. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:3", "text": "Dia resin\u2019 i Davida koa Hadadezera, zanak\u2019 i Rehoba, mpanjakan\u2019 i Zoba, tamin\u2019 izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron\u2019 ny ony Eofrata. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:4", "text": "Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin\u2019 i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin\u2019 ny kalesy zato ihany no navelany. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:5", "text": "Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an\u2019 i Hadadezera, mpanjakan\u2019 i Zoba; dia nahafatesan\u2019 i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:6", "text": "Ary nametrahan\u2019 i Davida miaramila tany Syria momba an\u2019 i Damaskosy; dia tonga mpanompon\u2019 i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an\u2019 i Davida teny amin\u2019 izay rehetra nalehany. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:7", "text": "Ary nalain\u2019 i Davida ny ampinga volamena izay teny amin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:8", "text": "Ary teo Beta sy Berotahy, tan\u00e0nan\u2019 i Hadadezera, no nahazoan\u2019 i Davida mpanjaka babo varahina be dia be. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:9", "text": "Ary nony ren\u2019 i Toy, mpanjakan\u2019 i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan\u2019 i Hadadezera rehetra Davida, " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:10", "text": "dia nirahin\u2019 i Toy Jorama zanany hankany amin\u2019 i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin\u2019 i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon\u2019 i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina; " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:11", "text": "dia nohamasinin\u2019 i Davida mpanjaka ho an\u2019 i Jehovah koa izany mbamin\u2019 ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin\u2019 ny firenena rehetra izay efa resiny, " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:12", "text": "dia tamin\u2019 i Syria sy Moaba sy ny taranak\u2019 i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin\u2019 i Hadadezera, zanak\u2019 i Rehoba, mpanjakan\u2019 i Zoba. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:13", "text": "Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin\u2019 ny Lohasahan-tsira. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:14", "text": "Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon\u2019 i Davida. Ary Jehovah nampahery an\u2019 i Davida teny amin\u2019 izay rehetra nalehany. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:15", "text": " Ary Davida nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:16", "text": "Ary Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, no komandin\u2019 ny miaramila; ary Josafata, zanak\u2019 i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:17", "text": "ary Zadoka, zanak\u2019 i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak\u2019 i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra; " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "II Samuel 8:18", "text": "ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak\u2019 i Davida no mpanolo-tsaina. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "II Samuel 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:1", "text": " Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan\u2019 i Saoly mba hasiako soa noho ny amin\u2019 i Jonatana? " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:2", "text": "Ary nisy mpanompon\u2019 ny fianakavian\u2019 i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin\u2019 i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:3", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan\u2019 i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon\u2019 Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin\u2019 ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin\u2019 i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:4", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin\u2019 ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon\u2019 i Makira, zanak\u2019 i Amiela, ao Lo-debara. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:5", "text": "Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon\u2019 i Makira, zanak\u2019 i Amiela, tao Lodebara. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:6", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 i Davida Mefiboseta, zanak\u2019 i Jonatana, zanak\u2019 i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:7", "text": "Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin\u2019 i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an\u2019 i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin\u2019 ny latabatro mandrakariva. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:8", "text": "Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:9", "text": "Dia niantso an\u2019 i Ziba, mpanompon\u2019 i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan\u2019 i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin\u2019 ny tomponao. " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:10", "text": "Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin\u2019 ny tomponao, hihinana eo amin\u2019 ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin\u2019 ny folo sy mpanompo roa-polo. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:11", "text": "Ary hoy Ziba tamin\u2019 ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon\u2019 ny mpanomponao. Fa ny amin\u2019 i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin\u2019 ny latabatro toy ny anankiray amin\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:12", "text": "Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon\u2019 i Ziba dia mpanompon\u2019 i Mefiboseta avokoa. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "II Samuel 9:13", "text": "Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin\u2019 ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "II Samuel 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:1", "text": " Ary rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, ka Hanona zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:2", "text": "Ary hoy Davida: Hanisy soa an\u2019 i Hanona, zanak\u2019 i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona ny mpanompon\u2019 i Davida. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:3", "text": "Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak\u2019 i Amona tamin\u2019 i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan\u2019 i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tan\u00e0na sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan\u2019 i Davida ireo mpanompony ireo hankat\u1ef3 aminao? " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:4", "text": "Dia nosamborin\u2019 i Hanona ny mpanompon\u2019 i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin\u2019 ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:5", "text": "Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin\u2019 i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin\u2019 ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin\u2019 ny somotrareo, vao mody ianareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:6", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan\u2019 i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Maka, olona arivo lahy, ary tamin\u2019 ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:7", "text": "Ary nony ren\u2019 i Davida izany, dia naniraka an\u2019 i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:8", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan\u2019 ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:9", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin\u2019 ireo voafantina tamin\u2019 ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin\u2019 ny Syriana. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:10", "text": "Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin\u2019 i Abisay rahalahiny halahany hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:11", "text": "Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak\u2019 i Amona, dia hovonjeko ianao. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:12", "text": "Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an\u2019 ny firenentsika sy ny tan\u00e0nan\u2019 Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:13", "text": "Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin\u2019 ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:14", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan\u2019 i Abisay ka niditra tao an-tan\u00e0na. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak\u2019 i Amona ka tonga tany Jerosalema. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:15", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny Syriana fa resy teo anoloan\u2019 ny Isiraely izy, dia nivory izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:16", "text": "Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin\u2019 ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Hadadezera, no nitarika azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:17", "text": "Ary nony nambara tamin\u2019 i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an\u2019 i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin\u2019 i Davida, ka dia rafitra ny ady. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:18", "text": "Ary vaky nandositra teo anoloan\u2019 ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin\u2019 ny Syriana Davida sady namely an\u2019 i Sobaka koa, ilay komandin\u2019 ny miaramila, ka nahafaty azy teo. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "II Samuel 10:19", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny mpanjaka rehetra izay nanoa an\u2019 i Hadadezera fa resy teo anoloan\u2019 ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin\u2019 ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak\u2019 i Amona intsony. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "II Samuel 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:1", "text": " Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin\u2019 ny andro fandehanan\u2019 ny mpanjaka hiady, dia naniraka an\u2019 i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak\u2019 i Amona ireo sady nanao fahirano an\u2019 i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:2", "text": "Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon\u2019 ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:3", "text": "Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin\u2019 i Eliama, sady vadin\u2019 i Oria Hetita? " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:4", "text": "Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin\u2019 ny halotoany, dia nody tany an-tranony. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:5", "text": "Ary nanan\u2019 anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin\u2019 i Davida hoe: Manan\u2019 anaka aho. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:6", "text": "Ary Davida naniraka tany amin\u2019 i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain\u2019 i Joaba nankany amin\u2019 i Davida Oria. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:7", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr\u2019 i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:8", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin\u2019 ny mpanjaka izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:9", "text": "Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon\u2019 ny mpanjaka, teo amin\u2019 ny mpanompon\u2019 ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:10", "text": "Ary nisy nanambara tamin\u2019 i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin\u2019 i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy mid\u00ecna mody any an-tranonao? " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:11", "text": "Fa hoy Oria tamin\u2019 i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin\u2019 ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon\u2019 ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin\u2019 ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:12", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Oria: Mitoera ihany ary at\u1ef3 anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson\u2019 iny Oria. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:13", "text": "Ary nasain\u2019 i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin\u2019 ilay nandriany teo amin\u2019 ny mpanompon\u2019 ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:14", "text": "Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin\u2019 i Joaba, ka nampitondrainy an\u2019 i Oria izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:15", "text": "Ary izao no soratra nataony tao amin\u2019 ny taratasy: Arosoinareo amin\u2019 ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:16", "text": "Ary raha mbola nanao fahirano ny tan\u00e0na Joaba, dia nanendry an\u2019 i Oria ho eo amin\u2019 izay hitany misy lehilahy mahery. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:17", "text": "Ary ny mponina tao an-tan\u00e0na nivoaka hiady amin\u2019 i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon\u2019 i Davida, ary maty koa Oria Hetita. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:18", "text": "Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin\u2019 i Davida ny toetry ny ady; " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:19", "text": "ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin\u2019 ny mpanjaka ny toetry ny ady, " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:20", "text": "ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tan\u00e0na toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin\u2019 ny manda izy? " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:21", "text": "Fa iza no namely an\u2019 i Abimeleka, zanak\u2019 i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin\u2019 ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:22", "text": "Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin\u2019 i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan\u2019 i Joaba azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:23", "text": "Ary hoy ny iraka tamin\u2019 i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan\u2019 ny vavahady kosa izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:24", "text": "Ary ny mpitifitra teo amin\u2019 ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:25", "text": "Dia hoy Davida tamin\u2019 ny iraka: Izao no holazainao amin\u2019 i Joaba: Aza malahelo amin\u2019 izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin\u2019 ny tan\u00e0na, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba. " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:26", "text": "Ary nony ren\u2019 ny vadin\u2019 i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "II Samuel 11:27", "text": "Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain\u2019 i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak\u2019 i Jehovah izany nataon\u2019 i Davida izany. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "II Samuel 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:1", "text": " Ary Jehovah naniraka an\u2019 i Natana hankao amin\u2019 i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tan\u00e0na anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo. " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:2", "text": "Ilay manan-karena nanana ondry aman\u2019 osy sy omby betsaka; " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:3", "text": "fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak\u2019 ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin\u2019 ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin\u2019 ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:4", "text": "Ary nisy vahiny tonga tao amin\u2019 ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman\u2019 osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an\u2019 ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak\u2019 ondry vavin\u2019 ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an\u2019 ilay olona tonga tao aminy. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:5", "text": "Dia nirehitra mafy ny fahatezeran\u2019 i Davida tamin\u2019 izany olona izany, ka hoy izy tamin\u2019 i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany; " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:6", "text": "ary ilay zanak\u2019 ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:7", "text": "Dia hoy Natana tamin\u2019 i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Saoly; " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:8", "text": "ary nomeko anao ny tranon\u2019 ny tomponao sy ny vadin\u2019 ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen\u2019 Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao; " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:9", "text": "koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin\u2019 i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin\u2019 ny sabatry ny taranak\u2019 i Amona izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:10", "text": "Koa noho izany dia tsy hiala amin\u2019 ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin\u2019 i Oria Hetita ho vadinao. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:11", "text": "Izao koa no lazain\u2019 i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin\u2019 ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin\u2019 ny vadinao amin\u2019 izao antoandrobenanahary izao. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:12", "text": "Fa ianao nanao izany tao amin\u2019 ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan\u2019 ny Isiraely rehetra sy amin\u2019 izao antoandrobenanahary izao. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:13", "text": "Dia hoy Davida tamin\u2019 i Natana: Efa nanota tamin\u2019 i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin\u2019 i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:14", "text": "Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon\u2019 i Jehovah amin\u2019 izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:15", "text": "Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin\u2019 i Oria tamin\u2019 i Davida, ka dia narary be ny zaza. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:16", "text": "Ary nifona tamin\u2019 Andriamanitra ho an\u2019 ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin\u2019 ny tany mandritra ny alina. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:17", "text": "Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin\u2019 ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:18", "text": "Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon\u2019 i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan\u2019 ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan\u2019 ny zaza? fandrao hanimba tena izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:19", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin\u2019 ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:20", "text": "Dia niarina tsy nandry tamin\u2019 ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:21", "text": "Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:22", "text": "Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia? " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:23", "text": "Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina et\u1ef3 amiko intsony. " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:24", "text": "Ary Davida nampionona an\u2019 i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy, " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:25", "text": "dia naniraka an\u2019 i Natana mpaminany ka nanao ny anaran\u2019 ny zaza hoe Jedidia noho ny amin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 26, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:26", "text": "Ary Joaba namely an\u2019 i Raban\u2019 ny taranak\u2019 i Amona ka nahafaka ny tan\u00e0nan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 27, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:27", "text": "Ary Joaba naniraka olona tany amin\u2019 i Davida nanao hoe: Namely an\u2019 i Raba aho ka nahafaka ny tan\u00e0na misy rano. " }, { "verse": 28, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:28", "text": "Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tan\u00e0na, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tan\u00e0na, ka dia hotononina araka ny anarako izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:29", "text": "Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:30", "text": "Dia nesoriny ny satro-boninahitr\u2019 ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan\u2019 i Davida. Ary navoakany tao an-tan\u00e0na ny babo azo, ka be dia be ireny. " }, { "verse": 31, "chapter": 12, "name": "II Samuel 12:31", "text": "Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin\u2019 ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin\u2019 ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "II Samuel 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:1", "text": " Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak\u2019 i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak\u2019 i Davida. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:2", "text": "Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin\u2019 i Amnona ny haka azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:3", "text": "Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak\u2019 i Simea, rahalahin\u2019 i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:4", "text": "Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan\u2019 andro isan\u2019 andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an\u2019 i Tamara, anabavin\u2019 i Absaloma rahalahiko, aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:5", "text": "Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin\u2019 ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-t\u00e0nany. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:6", "text": "Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankat\u1ef3 hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-t\u00e0nany. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:7", "text": "Ary Davida naniraka nankany amin\u2019 i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon\u2019 i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:8", "text": "Dia nandeha Tamara nankany an-tranon\u2019 i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:9", "text": "Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:10", "text": "Ary hoy Amnona tamin\u2019 i Tamara: Ento at\u1ef3 amin\u2019 ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain\u2019 i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin\u2019 ny efi-trano tao amin\u2019 i Amnona anadahiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:11", "text": "Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an\u2019 i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:12", "text": "Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin\u2019 ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:13", "text": "Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin\u2019 ny adala eto amin\u2019 ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin\u2019 ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:14", "text": "Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:15", "text": "Ary dia halan\u2019 i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsang\u00e0na, mandehana. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:16", "text": "Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:17", "text": "Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:18", "text": "Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon\u2019 ny zanakavavin\u2019 ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan\u2019 ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:19", "text": "Ary nasian\u2019 i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:20", "text": "Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mang\u00ecna ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon\u2019 i Absaloma anadahiny Tamara sady ory. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:21", "text": "Fa nony ren\u2019 i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:22", "text": "Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin\u2019 i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan\u2019 i Absaloma izy noho ny nisavihany an\u2019 i Tamara anabaviny. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:23", "text": "Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an\u2019 i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka rehetra izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:24", "text": "Ary nankao amin\u2019 ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao. " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:25", "text": "Fa hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany. " }, { "verse": 26, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:26", "text": "Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao? " }, { "verse": 27, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:27", "text": "Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy. " }, { "verse": 28, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:28", "text": "Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miom\u00e0na tsara, fa rehefa faly ny fon\u2019 i Amnona azon\u2019 ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo. " }, { "verse": 29, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:29", "text": "Ary ny zatovon\u2019 i Absaloma nanao tamin\u2019 i Amnona araka ny teny nomen\u2019 i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra. " }, { "verse": 30, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:30", "text": "Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin\u2019 i Davida ny filazana hoe: novonoin\u2019 i Absaloma avokoa ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 31, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:31", "text": "Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin\u2019 ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany. " }, { "verse": 32, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:32", "text": "Ary Jonadaba, zanak\u2019 i Simea, rahalahin\u2019 i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin\u2019 ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin\u2019 ny andro nisavihany an\u2019 i Tamara anabaviny. " }, { "verse": 33, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:33", "text": "Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty. " }, { "verse": 34, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:34", "text": "Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan\u2019 ny tendrombohitra. " }, { "verse": 35, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:35", "text": "Ary hoy Jonadaba tamin\u2019 ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka, dia araka ny nolazain\u2019 ny mpanomponao tokoa. " }, { "verse": 36, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:36", "text": "Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa. " }, { "verse": 37, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:37", "text": "Fa Absaloma nandositra nankany amin\u2019 i Talmay, zanakalahin\u2019 i Amihoda, mpanjakan\u2019 i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida. " }, { "verse": 38, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:38", "text": "Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona. " }, { "verse": 39, "chapter": 13, "name": "II Samuel 13:39", "text": "Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin\u2019 i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin\u2019 i Amnona, satria efa maty izy. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "II Samuel 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:1", "text": " Ary Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, nahalala fa ny fon\u2019 ny mpanjaka nalahelo an\u2019 i Absaloma ihany. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:2", "text": "Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Mas\u00ecna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty; " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:3", "text": "dia mankanesa ao amin\u2019 ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen\u2019 i Joaba teny izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:4", "text": "Ary nony niteny tamin\u2019 ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka \u00f4. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:5", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:6", "text": "Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:7", "text": "Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain\u2019 ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an\u2019 ny vadiko et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:8", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin\u2019 izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:9", "text": "Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin\u2019 ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko \u00f4, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin\u2019 ny ankohonan\u2019 ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:10", "text": "Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento et\u1ef3 amiko, dia tsy haninona anao intsony izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:11", "text": "Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka \u00f4, aoka ianao hahatsiaro an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin\u2019 ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin\u2019 ny zanakao. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:12", "text": "Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin\u2019 ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:13", "text": "Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon\u2019 Andriamanitra? Fa amin\u2019 ny, itenenan\u2019 ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian\u2019 ny mpanjaka ilay noroahiny. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:14", "text": "Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin\u2019 ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain\u2019 olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:15", "text": "Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin\u2019 ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin\u2019 ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin\u2019 ny mpanompovaviny. " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:16", "text": "Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin\u2019 ny tanan\u2019 ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin\u2019 ny zanako hiala amin\u2019 ny lova nomen\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:17", "text": "Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin\u2019 ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao. " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:18", "text": "Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:19", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen\u2019 i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain\u2019 ny mpanjaka tompoko na ho amin\u2019 ny ankavanana na ho amin\u2019 ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:20", "text": "Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan\u2019 i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:21", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:22", "text": "Dia niankohoka tamin\u2019 ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran\u2019 ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin\u2019 ny nanaovan\u2019 ny mpanjaka araka ny nangatahin\u2019 ny mpanompony. " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:23", "text": "Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:24", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:25", "text": "Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an\u2019 i Absaloma teo amin\u2019 ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:26", "text": "Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan\u2019 ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:27", "text": "Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:28", "text": "Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan\u2019 ny mpanjaka ihany izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:29", "text": "Ary Absaloma dia naniraka tany amin\u2019 i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin\u2019 ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba. " }, { "verse": 30, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:30", "text": "Koa dia hoy izy tamin\u2019 ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin\u2019 i Joaba mifanolotra amin\u2019 ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin\u2019 ny afo izany. Ary ny mpanompon\u2019 i Absaloma dia nandoro ny tanimbary. " }, { "verse": 31, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:31", "text": "Ary Joaba niainga nankany amin\u2019 i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin\u2019 ny afo? " }, { "verse": 32, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:32", "text": "Fa hoy Absaloma tamin\u2019 i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa at\u1ef3 hirahiko ho any amin\u2019 ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan\u2019 ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny. " }, { "verse": 33, "chapter": 14, "name": "II Samuel 14:33", "text": "Ary Joaba nankany amin\u2019 ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain\u2019 ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin\u2019 ny tany teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka; ary dia nanoroka an\u2019 i Absaloma ny mpanjaka. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "II Samuel 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:1", "text": " Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:2", "text": "Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan\u2019 ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin\u2019 ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin\u2019 i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin\u2019 ny tan\u00e0na aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely ny mpanomponao. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:3", "text": "Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin\u2019 ny mpanjaka hihaino anao. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:4", "text": "Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin\u2019 ny tany, ary ho avy at\u1ef3 amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy! " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:5", "text": "Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny t\u00e0nany ka noraisiny sy norohany izany olona izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:6", "text": "Ary toy izany no nataon\u2019 i Absaloma tamin\u2019 ny Isiraely rehetra izay nankao amin\u2019 ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin\u2019 i Absaloma ho azy ny fon\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:7", "text": "Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin\u2019 ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:8", "text": "Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin\u2019 i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:9", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:10", "text": "Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon\u2019 ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:11", "text": "Ary nisy roan-jato lahy izay nasain\u2019 i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin\u2019 ny fahatsoran\u2019 ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:12", "text": "Ary Absaloma naniraka naka an\u2019 i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an\u2019 i Davida, avy tao an-tan\u00e0nany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an\u2019 i Absaloma. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:13", "text": "Ary nisy olona tonga tao amin\u2019 i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an\u2019 i Absaloma fon\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:14", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsang\u00e0na, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin\u2019 i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin\u2019 ny lelan-tsabatra ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:15", "text": "Ary hoy ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:16", "text": "Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin\u2019 ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin\u2019 ny vaditsindranony hiandry trano. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:17", "text": "Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratan\u00e0na izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:18", "text": "Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:19", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin\u2019 ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin\u2019 ny fonenanao. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:20", "text": "Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin\u2019 izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:21", "text": "Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran\u2019 ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran\u2019 ny mpanomponao. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:22", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin\u2019 ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:23", "text": "Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin\u2019 ny lalana mankany an-efitra. " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:24", "text": "Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran\u2019 Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tan\u00e0na. " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:25", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Zadoka: Ento miverina ho any an-tan\u00e0na ihany ny fiaran\u2019 Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason\u2019 i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:26", "text": "Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara. " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:27", "text": "Ary hoy koa ny mpanjaka tamin\u2019 i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tan\u00e0na ianao mbamin\u2019 ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak\u2019 i Abiatara. " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:28", "text": "Indro, izaho hijanonjanona eny amin\u2019 ny fit\u00e0na any amin\u2019 ny efitra mandra-pahatongan\u2019 izay teny avy at\u1ef3 aminareo hambara amiko. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:29", "text": "Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran\u2019 Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:30", "text": "Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa. " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:31", "text": "Ary nisy nanambara tamin\u2019 i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan\u2019 ny mpiray tetika amin\u2019 i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah \u00f4, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon\u2019 i Ahitofela. " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:32", "text": "Ary nony tonga teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra Davida, dia teo amin\u2019 izay fivavahan\u2019 ny olona tamin\u2019 Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:33", "text": "ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko; " }, { "verse": 34, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:34", "text": "fa raha hiverina any an-tan\u00e0na kosa ianao ka hanao amin\u2019 i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon\u2019 ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon\u2019 i Ahitofela. " }, { "verse": 35, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:35", "text": "Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon\u2019 ny mpanjaka, dia ambarao amin\u2019 i Zadoka sy Abiatara mpisorona. " }, { "verse": 36, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:36", "text": "Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak\u2019 i Zadoka, sy Jonatana, zanak\u2019 i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho at\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 37, "chapter": 15, "name": "II Samuel 15:37", "text": "Koa dia tonga tany an-tan\u00e0na Hosay, sakaizan\u2019 i Davida, tamin\u2019 ny nahatongavan\u2019 i Absaloma tany Jerosalema. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "II Samuel 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:1", "text": "Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon\u2019 i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:2", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Ziba: Ahoana no hevitrao amin\u2019 ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an\u2019 ny ankohonan\u2019 ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin\u2019 ny zatovo; ary ny divay hosotroin\u2019 izay reraka any an-efitra. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:3", "text": "Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin\u2019 ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin\u2019 ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely ny fanjakan\u2019 ikaky ho ahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:4", "text": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Ziba: Indro, anao izay rehetra an\u2019 i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:5", "text": "Ary nony nanakaiky an\u2019 i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan\u2019 i Saoly ny anarany dia Simey, zanak\u2019 i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:6", "text": "Ary nitora-bato an\u2019 i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin\u2019 ny ankavanan\u2019 ny mpanjaka sy teo amin\u2019 ny ankaviany. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:7", "text": "Ary hoy ny fanozon\u2019 i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-dr\u00e0 sy tena ratsy fanahy! " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:8", "text": "Nataon\u2019 i Jehovah manody anao izao ny ran\u2019 ny tamingan\u2019 i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-dr\u00e0. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:9", "text": "Ary hoy Abisay, zanak\u2019 i Zeroia, tamin\u2019 ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:10", "text": "Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak\u2019 i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany? " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:11", "text": "Ary hoy koa Davida tamin\u2019 i Abisay sy tamin\u2019 ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:12", "text": "Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin\u2019 ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:13", "text": "Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin\u2019 ny ilan\u2019 ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:14", "text": "Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:15", "text": " Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin\u2019 ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:16", "text": "Ary Hosay Arkita, sakaizan\u2019 i Davida, dia tonga tao amin\u2019 i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka! " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:17", "text": "Fa hoy Absaloma tamin\u2019 i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin\u2019 ny sakaizanao? " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:18", "text": "Ary hoy Hosay tamin\u2019 i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin\u2019 i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:19", "text": "Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan\u2019 ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan\u2019 ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:20", "text": "Ary hoy Absaloma tamin\u2019 i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika. " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:21", "text": "Dia hoy Ahitofela tamin\u2019 i Absaloma: Mid\u00ecra ao amin\u2019 ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren\u2019 ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny t\u00e0nan\u2019 izay rehetra momba anao. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:22", "text": "Ary dia nanorin-day ho an\u2019 i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin\u2019 ny vaditsindranon-drainy teo imason\u2019 ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "II Samuel 16:23", "text": "Ary ny hevitr\u2019 i Ahitofela izay nataony tamin\u2019 izany dia hoatra ny manontany amin\u2019 Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon\u2019 i Ahitofela, na tamin\u2019 i Davida, na tamin\u2019 i Absaloma. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "II Samuel 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:1", "text": "Ary hoy Ahitofela tamin\u2019 i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an\u2019 i Davida anio alina; " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:2", "text": "ary ho tonga ao aminy aho amin\u2019 ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako; " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:3", "text": "dia haveriko ho et\u1ef3 aminao ny vahoaka rehetra miankina amin\u2019 io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan\u2019 ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:4", "text": "Ary sitrak\u2019 i Absaloma sy ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:5", "text": "Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:6", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr\u2019 i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao? " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:7", "text": "Ary hoy Hosay tamin\u2019 i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon\u2019 i Ahitofela tamin\u2019 ity. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:8", "text": "Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin\u2019 ny vahoaka raha alina. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:9", "text": "Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin\u2019 ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin\u2019 ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an\u2019 i Absaloma, " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:10", "text": "ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon\u2019 ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:11", "text": "Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:12", "text": "Dia ho tonga ao aminy amin\u2019 izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin\u2019 ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin\u2019 izay olona rehetra manaraka azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:13", "text": "Fa raha miditra an-tan\u00e0na izy, dia hitondran\u2019 ny Isiraely rehetra mahazaka izany tan\u00e0na izany, ka dia hotarihintsika ho any amin\u2019 ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:14", "text": "Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon\u2019 i Ahitofela ny nataon\u2019 i Hosay Arkita. Fa efa notendren\u2019 i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon\u2019 i Ahitofela, hampidiran\u2019 i Jehovah loza amin\u2019 i Absaloma. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:15", "text": "Dia hoy Hosay tamin\u2019 i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen\u2019 i Ahitofela an\u2019 i Absaloma sy ny loholon\u2019 ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no hevitra nomeko azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:16", "text": "Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin\u2019 i Davida hoe: Aza mitoetra any amin\u2019 ny fit\u00e0na any amin\u2019 ny efitra anio alina, fa mit\u00e0 faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:17", "text": "Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tan\u00e0na izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin\u2019 i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:18", "text": "Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin\u2019 i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon\u2019 olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy. " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:19", "text": "Ary nalain\u2019 ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan\u2019 ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala. " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:20", "text": "Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon\u2019 i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema. " }, { "verse": 21, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:21", "text": "Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin\u2019 ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin\u2019 i Davida mpanjaka hoe: Miaing\u00e0, ka mit\u00e0 faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon\u2019 i Ahitofela hamelezana anareo. " }, { "verse": 22, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:22", "text": "Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka, azy, ka nita an\u2019 i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy tafita an\u2019 i Jordana na dia olona iray aza. " }, { "verse": 23, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:23", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tan\u00e0nany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin\u2019 ny fasan-drainy. " }, { "verse": 24, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:24", "text": " Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma nita an\u2019 i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely izay nanaraka azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:25", "text": "Ary Amasa no notendren\u2019 i Absaloma ho komandin\u2019 ny miaramilany ho solon\u2019 i Joaba; ary Amasa dia zanak\u2019 ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin\u2019 i Abigaila, zanakavavin\u2019 i Nahasy sady rahavavin\u2019 i Zeroia, renin\u2019 i Joaba. " }, { "verse": 26, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:26", "text": "Ary ny Isiraely sy ny Absaloma nitoby tany amin\u2019 ny tany Gileada. " }, { "verse": 27, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:27", "text": "Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak\u2019 i Amona, sy Makira, zanak\u2019 i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima, " }, { "verse": 28, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:28", "text": "Avy mitondra fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba ary voanemba voaendy " }, { "verse": 29, "chapter": 17, "name": "II Samuel 17:29", "text": "sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak\u2019 omby ho an\u2019 i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta at\u1ef3 an-efitra ny vahoaka. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "II Samuel 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:1", "text": "Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:2", "text": "Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin\u2019 i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin\u2019 i Abisay, zanak\u2019 i Zeroia, rahalahin\u2019 i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin\u2019 Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:3", "text": "Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tan\u00e0na ianao. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:4", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan\u2019 ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan\u2019 arivo. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:5", "text": "Ary ny mpanjaka nandidy an\u2019 i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindr\u00e0 fo amin\u2019 i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian\u2019 ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin\u2019 i Absaloma. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:6", "text": "Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin\u2019 ny Isiraely, ka rafitra tao amin\u2019 ny alan\u2019 i Efraima ny ady; " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:7", "text": "ary resy tao ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely teo anoloan\u2019 ny mpanompon\u2019 i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:8", "text": "Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin\u2019 ny ala androtrizay dia be noho ny matin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:9", "text": "Ary Absaloma nifanehatra tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin\u2019 ny rantsan-kazo mikirindro tamin\u2019 ny hazo terebinta, ka voahazon\u2019 ny hazo terebinta ny lohan\u2019 i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan\u2019 ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:10", "text": "Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin\u2019 i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin\u2019 ny hazo terebinta Absaloma. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:11", "text": "Ary hoy Joaba tamin\u2019 ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin\u2019 ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao? " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:12", "text": "Fa hoy ralehilahy tamin\u2019 i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian\u2019 ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an\u2019 i Absaloma zatovo. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:13", "text": "Tsy misy zavatra azo afenina amin\u2019 ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:14", "text": "Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin\u2019 ny fon\u2019 i Absaloma, raha mbola velona teo amin\u2019 ny hazo terebinta izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:15", "text": "Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian\u2019 i Joaba, nanodidina an\u2019 i Absaloma ka namely azy ho faty. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:16", "text": "Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran\u2019 i Joaba izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:17", "text": "Dia nalain\u2019 ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin\u2019 ny lainy avy. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:18", "text": "Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan\u2019 ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran\u2019 ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an\u2019 i Absaloma no anarany mandraka androany. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:19", "text": " Dia hoy Ahimaza, zanak\u2019 i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin\u2019 ny mpanjaka ny amin\u2019 ny nanomezan\u2019 i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin\u2019 ny fahavalony. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:20", "text": "Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:21", "text": "Ary hoy Joaba tamin\u2019 ilay Kosita: Andeha, ambarao amin\u2019 ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan\u2019 i Joaba, dia lasa nihazakazaka. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:22", "text": "Fa Ahimaza, zanak\u2019 i Zadoka, dia mbola niteny tamin\u2019 i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona? " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:23", "text": "Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin\u2019 ny lalana eny amin\u2019 ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an\u2019 ilay Kosita. " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:24", "text": "Ary Davida nipetraka teo anelanelan\u2019 ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin\u2019 ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:25", "text": "Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin\u2019 ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy. " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:26", "text": "Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:27", "text": "Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak\u2019 i Ahimaza, zanak\u2019 i Zadoka, no fihazakazak\u2019 iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany. " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:28", "text": "Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin\u2019 ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin\u2019 ny mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:29", "text": "Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin\u2019 ny nanirahan\u2019 i Joaba ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:30", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanil\u00e0 kely ary, ka mijan\u00f2na etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo. " }, { "verse": 31, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:31", "text": "Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin\u2019 izay rehetra nitsangana hikomy aminao. " }, { "verse": 32, "chapter": 18, "name": "II Samuel 18:32", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon\u2019 ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "II Samuel 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:1", "text": "Ary dia niontana ter\u1ef3 ny fon\u2019 ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin\u2019 ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako \u00f4! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako \u00f4! " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:2", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an\u2019 i Absaloma ny mpanjaka. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:3", "text": "Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin\u2019 ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren\u2019 ny vahoaka tamin\u2019 izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:4", "text": "Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tan\u00e0na ny olona tamin\u2019 izany andro izany, toy ny fisokosokon\u2019 ny olona menatra raha mandositra amin\u2019 ny ady. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:5", "text": "Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin\u2019 ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako \u00f4! " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:6", "text": "Ary niditra tao amin\u2019 ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain\u2019 ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain\u2019 ny vadinao sy ny vaditsindranonao; " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:7", "text": "fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:8", "text": "Koa mitsang\u00e0na ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin\u2019 ny mpanomponao; fa mianiana amin\u2019 i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:9", "text": "Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin\u2019 ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan\u2019 ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin\u2019 ny lainy avy. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:10", "text": "Ary ny vahoaka rehetra tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalontsika, indrindra fa tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin\u2019 ny tany izy noho ny amin\u2019 i Absaloma. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:11", "text": "Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin\u2019 ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin\u2019 ny hampodiana ny mpanjaka? " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:12", "text": "Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin\u2019 i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin\u2019 ny loholon\u2019 ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin\u2019 ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin\u2019 ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin\u2019 ny mpanjaka tao an-tranony " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:13", "text": "rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin\u2019 ny fampodiana ny mpanjaka? " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:14", "text": "Ary ataovy amin\u2019 i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon\u2019 Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin\u2019 ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon\u2019 i Joaba ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:15", "text": "Ary dia nampitodika ny fon\u2019 ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin\u2019 ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:16", "text": "Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:17", "text": "Ary Simey, zanak\u2019 i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Joda tsena an\u2019 i Davida mpanjaka. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:18", "text": "Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon\u2019 ny taranak\u2019 i Saoly, mbamin\u2019 ny zananilahy dimy ambin\u2019 ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an\u2019 i Jordana teo alohan\u2019 ny mpanjaka izy ireo. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:19", "text": "Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan\u2019 ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an\u2019 i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak\u2019 i Gera, niankohoka teo anatrehany. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:20", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny mpanjaka: Aoka tsy hisain\u2019 ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon\u2019 ny mpanomponao tamin\u2019 ny andro nivoahan\u2019 ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin\u2019 ny mpanjaka izany; " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:21", "text": "fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:22", "text": "Fa namaly Abisay, zanak\u2019 i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr\u2019 i Jehovah izy? " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:23", "text": "Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak\u2019 i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin\u2019 ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan\u2019 ny Isiraely anio? " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:24", "text": "Ary dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy. " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:25", "text": "Ary Mefiboseta, zanakalahin\u2019 i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin\u2019 ny andro nialan\u2019 ny mpanjaka ka hatramin\u2019 ny andro nahatongavany soa aman-tsara. " }, { "verse": 26, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:26", "text": "Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta? " }, { "verse": 27, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:27", "text": "Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin\u2019 ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin\u2019 ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao. " }, { "verse": 28, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:28", "text": "Nefa nendrikendrehiny tamin\u2019 ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin\u2019 Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao. " }, { "verse": 29, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:29", "text": "Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan\u2019 izay mihinana amin\u2019 ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin\u2019 ny mpanjaka? " }, { "verse": 30, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:30", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany. " }, { "verse": 31, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:31", "text": "Ary hoy Mefiboseta tamin\u2019 ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin\u2019 ny tranonao indray. " }, { "verse": 32, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:32", "text": "Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an\u2019 i Jordana tamin\u2019 ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 33, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:33", "text": "Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:34", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema. " }, { "verse": 35, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:35", "text": "Fa hoy Barzilay tamin\u2019 ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin\u2019 ny mpanjaka hankany Jerosalema aho? " }, { "verse": 36, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:36", "text": "Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon\u2019 ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin\u2019 ny mpanjaka tompoko? " }, { "verse": 37, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:37", "text": "Kely foana no handehanan\u2019 ny mpanomponao eo an-dafin\u2019 i Jordana hiaraka amin\u2019 ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany? " }, { "verse": 38, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:38", "text": "Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin\u2019 ny vohitro ao akaikin\u2019 ny fasan\u2019 ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin\u2019 ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao. " }, { "verse": 39, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:39", "text": "Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao. " }, { "verse": 40, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:40", "text": "Ary ny vahoaka rehetra nita an\u2019 i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan\u2019 ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin\u2019 ny fonenany izy. " }, { "verse": 41, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:41", "text": "Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka. " }, { "verse": 42, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:42", "text": " Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin\u2019 Isiraely nankao amin\u2019 ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin\u2019 ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon\u2019 i Davida rehetra teny aminy hita an\u2019 i Jordana? " }, { "verse": 43, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:43", "text": "Ary ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Joda dia namaly ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin\u2019 izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy? " }, { "verse": 44, "chapter": 19, "name": "II Samuel 19:44", "text": "Ary ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin\u2019 ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin\u2019 ny mpanjaka; eny, izahay manana an\u2019 i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin\u2019 ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "II Samuel 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:1", "text": "Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak\u2019 i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin\u2019 i Davida na lova amin\u2019 ny zanak\u2019 i Jese; samia mody any amin\u2019 ny lainy avy, ry Isiraely \u00f4. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:2", "text": "Ka dia samy niara-nandao an\u2019 i Davida ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely ka nanaraka an\u2019 i Seba, zanak\u2019 i Bikry; fa ny lehilahy amin\u2019 ny Joda no nifikitra tamin\u2019 ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:3", "text": "Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:4", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Amasa: Vorio ny lehilahy amin\u2019 ny Joda ho eto amiko amin\u2019 ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:5", "text": "Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan\u2019 andro nomeny azy izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:6", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak\u2019 i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tan\u00e0na mimanda ka tsy ho azontsika. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:7", "text": "Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon\u2019 i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an\u2019 i Seba, zanak\u2019 i Bikry. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:8", "text": "Fa nony tonga tao amin\u2019 ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian\u2019 i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin\u2019 ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:9", "text": "Ary hoy Joaba tamin\u2019 i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin\u2019 i Joaba tamin\u2019 ny t\u00e0nany ankavanana ny somotr\u2019 i Amasa horohany. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:10", "text": "Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-t\u00e0nan\u2019 i Joaba, kanjo nasiany tamin\u2019 ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin\u2019 ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin\u2019 izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an\u2019 i Seba, zanak\u2019 i Bikry. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:11", "text": "Ary ny zatovon\u2019 i Joaba anankiray nijanona teo anilan\u2019 ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin\u2019 i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an\u2019 i Joaba. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:12", "text": "Ary Amasa nihosin-dr\u00e0 teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin\u2019 ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin\u2019 i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:13", "text": "Ary nony nafindrany niala teo amin\u2019 ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an\u2019 i Joaba ny olona rehetra hanenjika an\u2019 i Seba, zanak\u2019 i Bikry. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:14", "text": "Ary izy nandeha namaky ny firenen\u2019 Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an\u2019 ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:15", "text": "Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin\u2019 ny tan\u00e0na izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an\u2019 i Joaba dia namely nandrava ny manda. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:16", "text": "Ary nisy vehivavy hendry tao an-tan\u00e0na niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; mas\u00ecna ianareo, lazao amin\u2019 i Joaba hoe: Mankanesa er\u1ef3 aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:17", "text": "Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:18", "text": "Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin\u2019 ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:19", "text": "Izaho dia isan\u2019 ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin\u2019 ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin\u2019 ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:20", "text": "Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:21", "text": "Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, Seba no anarany, zanak\u2019 i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin\u2019 i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin\u2019 ny tan\u00e0na aho. Ary hoy ravehivavy tamin\u2019 i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:22", "text": "Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin\u2019 ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin\u2019 ireo ny lohan\u2019 i Seba, zanak\u2019 i Bikry, ka natsipiny teny amin\u2019 i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin\u2019 ny tan\u00e0na ny olona samy ho any amin\u2019 ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:23", "text": " Ary Joaba no komandin\u2019 ny miaramila rehetra tamin\u2019 ny Isiraely; ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:24", "text": "ary Adorama no komandin\u2019 ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak\u2019 i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:25", "text": "ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona; " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "II Samuel 20:26", "text": "ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an\u2019 i Davida. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "II Samuel 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:1", "text": " Ary nisy mosary telo taona misesy tamin\u2019 ny andron\u2019 i Davida, ary Davida nanontany tamin\u2019 i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-dr\u00e0 izao, satria namono ny Gibeonita izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:2", "text": "Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, fa sisa tamin\u2019 ny Amorita, ary ny Zanak\u2019 Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin\u2019 ny firehetan\u2019 ny fitiavany ny Zanak\u2019 Isiraely sy ny Joda), " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:3", "text": "ary hoy Davida tamin\u2019 ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin\u2019 inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan\u2019 i Jehovah? " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:4", "text": "Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin\u2019 i Saoly na amin\u2019 ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin\u2019 ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo? " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:5", "text": "Dia hoy izy ireo tamin\u2019 ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely rehetra " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:6", "text": "no avelao hisy fito lahy amin\u2019 ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an\u2019 i Jehovah ao Gibean\u2019 i Saoly, ilay voafidin\u2019 i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:7", "text": "Fa ny mpanjaka niaro an\u2019 i Mefiboseta, zanak\u2019 i Jonatana, zanak\u2019 i Saoly, noho ny fianianana tamin\u2019 i Jehovah nataon\u2019 i Davida sy Jonatana, zanak\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:8", "text": "Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak\u2019 i Rizpa, zanakavavin\u2019 i Aia, izay naterany tamin\u2019 i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak\u2019 i Mikala, zanakavavin\u2019 i Saoly, izay naterany tamin\u2019 i Adriela, zanak\u2019 i Barzilay Meholatita, " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:9", "text": "dia natolony teo an-t\u00e0nan\u2019 ny Gibeonita ireo ka nahanton\u2019 ireo teo amin\u2019 ny havoana teo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin\u2019 ny niandohan\u2019 ny fararano tamin\u2019 ny voalohan\u2019 ny taom-pijinjana ny vary hordea izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:10", "text": "Ary Rizpa, zanakavavin\u2019 i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin\u2019 ny vatolampy iny hitoerany hatramin\u2019 ny niandohan\u2019 ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin\u2019 ny faty, ka tsy navelany hipetrahan\u2019 ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:11", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Davida izay nataon\u2019 i Rizpa, zanakavavin\u2019 i Aia, vaditsindranon\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:12", "text": "Dia lasa Davida naka ny taolan\u2019 i Saoly sy ny taolan\u2019 i Jonatana zanany tany amin\u2019 ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan\u2019 ny Filistina azy tamin\u2019 ny andro namonoan\u2019 ny Filistina an\u2019 i Saoly tao Gilboa. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:13", "text": "Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan\u2019 i Saoly sy ny taolan\u2019 i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan\u2019 ireo voahantona ireo. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:14", "text": "Ary ny taolan\u2019 i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin\u2019 ny olona tao amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Benjamina tao Zela, tao amin\u2019 ny fasan\u2019 i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian\u2019 ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken\u2019 Andriamanitra ny fifonana natao ho an\u2019 ny tany. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:15", "text": " Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin\u2019 ny Filistina, ary reraka Davida. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:16", "text": "Ary Jisbibenoba, izay isan\u2019 ny taranaky ny Refa\u00efta (ny lanjan\u2019 ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an\u2019 i Davida. " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:17", "text": "Fa Abisay, zanak\u2019 i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin\u2019 izay ny olon\u2019 i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin\u2019 ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:18", "text": "Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin\u2019 ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an\u2019 i Safa, izay isan\u2019 ny taranaky ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:19", "text": "Ary nisy ady indray koa tamin\u2019 ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak\u2019 i Jare-oregima Betlehemita, namono an\u2019 i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon\u2019 ny mpanenona. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:20", "text": "Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan\u2019 ny rantsan-t\u00e0nany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:21", "text": "Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin\u2019 i Jonatana, zanak\u2019 i Simea, rahalahin\u2019 i Davida. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "II Samuel 21:22", "text": "Ireo efatra ireo no teraky ny Refa\u00efta teo Gata, ka matin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Davida sy ny tanan\u2019 ny mpanompony avokoa ireo. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "II Samuel 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:1", "text": " Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny andro namonjen\u2019 i Jehovah azy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Saoly, " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:2", "text": "ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:3", "text": "Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin\u2019 ny fampahoriana Hianao. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:4", "text": "Miantso an\u2019 i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin\u2019 ny fahavaloko. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:5", "text": "Fa nihodidina tamiko ny onjan\u2019 ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:6", "text": "Ny famatoran\u2019 ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:7", "text": "Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an\u2019 i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:8", "text": "Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan\u2019 ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:9", "text": "Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:10", "text": "Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin\u2019 ny tongony. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:11", "text": "Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin\u2019 ny ela-drivotra Izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:12", "text": "Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:13", "text": "Ary avy teo amin\u2019 ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:14", "text": "Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:15", "text": "Dia nandefa zana-tsip\u00ecka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:16", "text": "Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin\u2019 ny tany, noho ny teny mafy nataon\u2019 i Jehovah, noho ny fifofofofon\u2019 ny fofonain\u2019 ny vavorony. " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:17", "text": "Naninjitra ny t\u00e0nany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin\u2019 ny rano be Izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:18", "text": "Namonjy ahy tamin\u2019 ny fahavaloko mahery Izy sy tamin\u2019 izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:19", "text": "Nisakana ahy tamin\u2019 ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:20", "text": "Dia nitondra ahy ho any amin\u2019 ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:21", "text": "Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan\u2019 ny tanako no namaliany ahy. " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:22", "text": "Fa nitandrina ny lalan\u2019 i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin\u2019 Andriamanitro; " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:23", "text": "Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lal\u00e0ny tsy mba nialako; " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:24", "text": "Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon\u2019 ny fahotako; " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:25", "text": "Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony. " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:26", "text": "Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:27", "text": "Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:28", "text": "Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny. " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:29", "text": "Fa Hianao no jiroko, Jehovah \u00f4; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako. " }, { "verse": 30, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:30", "text": "Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. " }, { "verse": 31, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:31", "text": "Raha ny amin\u2019 Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin\u2019 i Jehovah dia voazaha toetra amin\u2019 ny memy; Jehovah no ampingan\u2019 izay rehetra mialoka aminy. " }, { "verse": 32, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:32", "text": "Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? " }, { "verse": 33, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:33", "text": "Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin\u2019 ny lalany Izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:34", "text": "Ary manao ny tongony ho tahaka ny an\u2019 ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin\u2019 ny fitoerako avo Izy. " }, { "verse": 35, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:35", "text": "Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsip\u00ecka varahina ny sandriko. " }, { "verse": 36, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:36", "text": "Omenao ahy ny ampingan\u2019 ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. " }, { "verse": 37, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:37", "text": "Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. " }, { "verse": 38, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:38", "text": "Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany. " }, { "verse": 39, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:39", "text": "Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin\u2019 ny tongotro izy. " }, { "verse": 40, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:40", "text": "Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. " }, { "verse": 41, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:41", "text": "Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy. " }, { "verse": 42, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:42", "text": "Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an\u2019 i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy. " }, { "verse": 43, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:43", "text": "Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako. " }, { "verse": 44, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:44", "text": "Mamonjy ahy amin\u2019 ny fifanoheran\u2019 ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan\u2019 ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. " }, { "verse": 45, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:45", "text": "Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy. " }, { "verse": 46, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:46", "text": "Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin\u2019 ny fiarovany mafy. " }, { "verse": 47, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:47", "text": "Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, " }, { "verse": 48, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:48", "text": "Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy, " }, { "verse": 49, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:49", "text": "Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin\u2019 ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin\u2019 izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin\u2019 ny olon-dozabe; " }, { "verse": 50, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:50", "text": "Koa Izany no hiderako Anao eny amin\u2019 ny firenen-tsamy hafa, Jehovah \u00f4, sy hankalazako ny anaranao. " }, { "verse": 51, "chapter": 22, "name": "II Samuel 22:51", "text": "Manao famonjen-dehibe ho an\u2019 ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin\u2019 ny voahosony, dia amin\u2019 i Davida sy ny taranany mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "II Samuel 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:1", "text": " Ary izao no fara-teny nataon\u2019 i Davida: hoy Davida, zanak\u2019 i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr\u2019 i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin\u2019 ny Isiraely: " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:2", "text": "Ny Fanahin\u2019 i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin\u2019 ny lelako; " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:3", "text": "Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin\u2019 ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin\u2019 ny fahatahorana an\u2019 Andriamanitra; " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:4", "text": "Ary izany dia toy ny fahazavan\u2019 ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin\u2019 ny tany noho ny hain\u2019 andro manarakaraka ny ranonorana. " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:5", "text": "Ary tsy toy izany indrindra amin\u2019 Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin\u2019 ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:6", "text": "Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin\u2019 ny tanana izy; " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:7", "text": "Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin\u2019 ny afo avokoa amin\u2019 izay itoerany ireny. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:8", "text": " Ary izao no anaran\u2019 ny lehilahy maherin\u2019 i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben\u2019 ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin\u2019 ny ady indray mandeha monja. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:9", "text": "Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak\u2019 i Dodo, zanak\u2019 i Ahohita, anankiray amin\u2019 izy telo lahy mahery teo amin\u2019 i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely; " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:10", "text": "dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan\u2019 ny t\u00e0nany ka efa niraikitra tamin\u2019 ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin\u2019 izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan\u2019 ny olona azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:11", "text": "Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak\u2019 i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin\u2019 ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy, " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:12", "text": "dia nijanona teo afovoan\u2019 io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:13", "text": "Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin\u2019 ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin\u2019 i Davida tao amin\u2019 ny zohin\u2019 i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan\u2019 ny Filistina nitoby teo amin\u2019 ny Lohasahan\u2019 ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:14", "text": "Ary Davida dia tao amin\u2019 ny batery fiarovana tamin\u2019 izay, ary ny miaramilan\u2019 ny Filistina kosa dia tao Betlehema. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:15", "text": "Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin\u2019 ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin\u2019 ny vavahady! " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:16", "text": "Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina ka nanovo rano tamin\u2019 ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan\u2019 ny vavahady, dia nentiny ho any amin\u2019 i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an\u2019 i Jehovah iny. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:17", "text": "Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah \u00f4, raha hanao izany aho; tsy ran\u2019 ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon\u2019 ireo telo lahy mahery ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:18", "text": "Ary Abisay, rahalahin\u2019 i Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, no lehibe amin\u2019 izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin\u2019 ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin\u2019 izy telo lahy. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:19", "text": "Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:20", "text": "Ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin\u2019 ilay andro nisy oram-panala iny; " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:21", "text": "ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-t\u00e0nany, nefa namorotsahan\u2019 i Benaia tamin\u2019 ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-t\u00e0nan\u2019 ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:22", "text": "Izany no nataon\u2019 i Benaia, zanak\u2019 i Joiada, ary tamin\u2019 izy telo lahy mahery dia izy no nalaza. " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:23", "text": "Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan\u2019 ny mpanolo-tsaina azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:24", "text": "Asahela, rahalahin\u2019 i Joaba, no anankiray amin\u2019 ny telo-polo, ary Elanana, zanak\u2019 i Dodo, avy any Betlehema, " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:25", "text": "Sama Harodita, Elika Harodita, " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:26", "text": "Heleza Paltita, Ira, zanak\u2019 Ikesy Teko\u00efta, " }, { "verse": 27, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:27", "text": "Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita, " }, { "verse": 28, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:28", "text": "Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita, " }, { "verse": 29, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:29", "text": "Haleba, zanak\u2019 i Bana Netofatita, Itahy, zanak\u2019 i Ribay, avy any Gibean\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina, " }, { "verse": 30, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:30", "text": "Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Gasy, " }, { "verse": 31, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:31", "text": "Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita, " }, { "verse": 32, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:32", "text": "Eliaba Salbonita, tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Jasena, Jonatana, " }, { "verse": 33, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:33", "text": "Sama Hararita, Ahiama, zanak\u2019 i Sarara Hararita, " }, { "verse": 34, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:34", "text": "Elifeleta, zanak\u2019 i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak\u2019 i Ahitofela Gilonita, " }, { "verse": 35, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:35", "text": "Hezray Karmelita, Paray Arbita, " }, { "verse": 36, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:36", "text": "Jigala, zanak\u2019 i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita, " }, { "verse": 37, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:37", "text": "Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian\u2019 i Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, " }, { "verse": 38, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:38", "text": "Ira Jitrita, Gareba Jitrita, " }, { "verse": 39, "chapter": 23, "name": "II Samuel 23:39", "text": "Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan\u2019 izy rehetra. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "II Samuel 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:1", "text": " Ary ny fahatezeran\u2019 i Jehovah nirehitra indray tamin\u2019 ny Isiraely, ka dia nanome saina an\u2019 i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin\u2019 ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:2", "text": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Joaba, komandin\u2019 ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen\u2019 isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:3", "text": "Fa hoy Joaba amin\u2019 ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan\u2019 ny mason\u2019 ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan\u2019 ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany? " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:4", "text": "Nefa tsy azon\u2019 i Joaba sy ny komandin\u2019 ny miaramila nolavina ny tenin\u2019 ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin\u2019 ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:5", "text": "Ary nita an\u2019 i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan\u2019 ilay tan\u00e0na afovoan\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Gada, dia nankany Jazera. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:6", "text": "Dia tonga tany Gileada izy, tany amin\u2019 ny tamin\u2019 i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona, " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:7", "text": "ary tonga tao Tyro, tan\u00e0na mimanda, sy tany amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin\u2019 ny tany atsimo izay an\u2019 ny Joda hatrany Beri-sheba izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:8", "text": "Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:9", "text": "Dia natolotr\u2019 i Joaba ny mpanjaka ny isan\u2019 ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin\u2019 ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:10", "text": "Ary ny eritreritr\u2019 i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin\u2019 i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin\u2019 izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah \u00f4, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:11", "text": "Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin\u2019 i Gada mpaminany, mpahitan\u2019 i Davida, ny tenin\u2019 i Jehovah nanao hoe: " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:12", "text": "Mandehana, ka lazao amin\u2019 i Davida hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:13", "text": "Ary Gada nankany amin\u2019 i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin\u2019 ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan\u2019 ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin\u2019 ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin\u2019 izay naniraka ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:14", "text": "Dia hoy Davida tamin\u2019 i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon\u2019 izay t\u00e0nan\u2019 olona. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:15", "text": "Ka dia nasian\u2019 i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin\u2019 ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:16", "text": "Ary naninjitra ny t\u00e0nany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin\u2019 ny loza ka nanao tamin\u2019 ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah dia teo amin\u2019 ny famoloan\u2019 i Araona Jebosita. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:17", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin\u2019 i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin\u2019 ny raiko. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:18", "text": "Ary Gada nankany amin\u2019 i Davida tamin\u2019 izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manang\u00e0na alitara ho an\u2019 i Jehovah ao amin\u2019 ny famoloan\u2019 i Araona Jebosita. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:19", "text": "Koa dia niakatra Davida araka ny tenin\u2019 i Gada, araka izay nandidian\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:20", "text": "Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:21", "text": "Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan\u2019 ny mpanjaka tompoko at\u1ef3 amin\u2019 ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an\u2019 i Jehovah hitsaharan\u2019 ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:22", "text": "Fa hoy Araona tamin\u2019 i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin\u2019 ny omby hatao kitay. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:23", "text": "Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen\u2019 i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin\u2019 ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao. " }, { "verse": 24, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:24", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitro amin\u2019 izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin\u2019 i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby. " }, { "verse": 25, "chapter": 24, "name": "II Samuel 24:25", "text": "Ary Davida nanao alitara teo ho an\u2019 i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken\u2019 i Jehovah ny fifonana natao ho an\u2019 ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana. " } ] } ] }, { "name": "I Kings", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "I Kings 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:1", "text": " Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:2", "text": "Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan\u2019 ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin\u2019 ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:3", "text": "Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely rehetra izy ka nahita an\u2019 i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:4", "text": "Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:5", "text": "Ary Adonia, zanakalahin\u2019 i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:6", "text": "Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an\u2019 i Absaloma. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:7", "text": "Ary efa niresaka tamin\u2019 i Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin\u2019 i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:8", "text": "Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak\u2019 i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an\u2019 i Davida kosa tsy mba niandany tamin\u2019 i Adonia. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:9", "text": "Ary Adonia namono ondry aman\u2019 osy sy omby ary zanak\u2019 omby mifahy teo anilan\u2019 ny vato Zoheleta tanilan\u2019 i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Joda, mpanompon\u2019 ny mpanjaka; " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:10", "text": "fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:11", "text": "Ary Natana niteny tamin\u2019 i Batseba, renin\u2019 i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak\u2019 i Hagita, nefa tsy fantatr\u2019 i Davida tompontsika akory izany? " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:12", "text": "Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain\u2019 i Solomona zanakao. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:13", "text": "Mandehana mankany amin\u2019 i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka? " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:14", "text": "Ary raha mbola miteny amin\u2019 ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:15", "text": "Ary Batseba dia nankao amin\u2019 ny mpanjaka tao amin\u2019 ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:16", "text": "Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao? " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:17", "text": "Dia hoy izy taminy: Tompokolahy \u00f4, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianako. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:18", "text": "Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:19", "text": "Ary efa namono omby sy zanak\u2019 omby mifahy ary ondry aman\u2019 osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin\u2019 ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:20", "text": "Ary ianao, ry mpanjaka tompoko \u00f4, ny mason\u2019 ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:21", "text": "Fa rehefa lasa modi-mandry any amin\u2019 ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka. " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:22", "text": "Ary raha mbola niteny tamin\u2019 ny mpanjaka ravehivavy, dia, indro, niditra koa Natana mpaminany. " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:23", "text": "Ary nisy nanambara amin\u2019 ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehany. " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:24", "text": "Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko \u00f4, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianako. " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:25", "text": "Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak\u2019 omby mifahy sy ondry aman\u2019 osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka rehetra sy ny komandin\u2019 ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka! " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:26", "text": "Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak\u2019 i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:27", "text": "Moa avy tamin\u2019 ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao? " }, { "verse": 28, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:28", "text": "Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankat\u1ef3 amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan\u2019 ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany " }, { "verse": 29, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:29", "text": "Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin\u2019 ny fahoriana rehetra, " }, { "verse": 30, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:30", "text": "dia tahaka ilay nianianako tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio. " }, { "verse": 31, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:31", "text": "Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko! " }, { "verse": 32, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:32", "text": "Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankat\u1ef3 amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan\u2019 ny mpanjaka izy telo lahy. " }, { "verse": 33, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:33", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon\u2019 ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento mid\u00ecna any Gihona izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:34", "text": "Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka! " }, { "verse": 35, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:35", "text": "Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda. " }, { "verse": 36, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:36", "text": "Ary Benaja, zanak\u2019 i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 37, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:37", "text": "Toy ny nomban\u2019 i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an\u2019 i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan\u2019 i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 38, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:38", "text": "Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak\u2019 i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an\u2019 i Solomona ny ampondravavin\u2019 i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona. " }, { "verse": 39, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:39", "text": "Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin\u2019 ny trano-lay ka nanosotra an\u2019 i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka! " }, { "verse": 40, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:40", "text": "Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony. " }, { "verse": 41, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:41", "text": "Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon\u2019 ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tan\u00e0na izany e? " }, { "verse": 42, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:42", "text": "Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak\u2019 i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao. " }, { "verse": 43, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:43", "text": "Fa Jonatana niteny ka nanao tamin\u2019 i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an\u2019 i Solomona tokoa ho mpanjaka. " }, { "verse": 44, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:44", "text": "Ary ny mpanjaka efa naniraka an\u2019 i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak\u2019 i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin\u2019 ireo ny ampondravavin\u2019 ny mpanjaka izy. " }, { "verse": 45, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:45", "text": "Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo izy sady nifaly, ka dia nihorika ter\u1ef3 ny tan\u00e0na. Izany no hotakotaka renareo. " }, { "verse": 46, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:46", "text": "Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakana. " }, { "verse": 47, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:47", "text": "Ary dia tonga koa ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka hisaotra an\u2019 i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon\u2019 Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran\u2019 i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka " }, { "verse": 48, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:48", "text": "ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianako androany, sady hitan\u2019 ny masoko koa izany. " }, { "verse": 49, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:49", "text": "Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain\u2019 i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin\u2019 izay nalehany avy izy rehetra. " }, { "verse": 50, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:50", "text": "Ary Adonia koa natahotra an\u2019 i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara. " }, { "verse": 51, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:51", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an\u2019 i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 52, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:52", "text": "Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin\u2019 ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy. " }, { "verse": 53, "chapter": 1, "name": "I Kings 1:53", "text": "Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin\u2019 ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan\u2019 i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "I Kings 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:1", "text": " Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan\u2019 i Davida, dia nandidy an\u2019 i Solomona zananilahy izy hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:2", "text": "Izaho efa handeha amin\u2019 ny lalan-kalehan\u2019 ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:3", "text": "Ary tandremo izay asain\u2019 i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin\u2019 ny lalany hitandremanao ny lal\u00e0ny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin\u2019 ny lalan\u2019 i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:4", "text": "mba hanatanterahan\u2019 i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin\u2019 ny fahamarinana amin\u2019 ny fony rehetra sy amin\u2019 ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely ianao. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:5", "text": "Ary ianao koa mahalala izay nataon\u2019 i Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin\u2019 izy roa lahy komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Isiraely, dia tamin\u2019 i Abnera, zanak\u2019 i Nera, sy tamin\u2019 i Amasa, zanak\u2019 i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany r\u00e0 toy ny amin\u2019 ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany r\u00e0 toy ny amin\u2019 ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:6", "text": "Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita amin\u2019 ny fiadanana ny volo fotsiny. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:7", "text": "Fa ny zanak\u2019 i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan\u2019 izay mihinana eo amin\u2019 ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan\u2019 ireo tany amiko, fony nandositra an\u2019 i Absaloma rahalahinao aho. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:8", "text": "Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak\u2019 i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin\u2019 ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin\u2019 ny sabatra ianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:9", "text": "Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin\u2019 ny fandatsahan-dr\u00e0 no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:10", "text": "Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany ka nalevina ao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:11", "text": "Ary ny andro nanjakan\u2019 i Davida tamin\u2019 ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:12", "text": " Ary Solomona nipetraka teo amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:13", "text": "Ary Adonia, zanakalahin\u2019 i Hagita, nankany amin\u2019 i Batseba, renin\u2019 i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:14", "text": "Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:15", "text": "Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan\u2019 ny rahalahiko, fa azony avy tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:16", "text": "Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:17", "text": "Dia hoy izy: Mas\u00ecna ianao, mitenena amin\u2019 i Solomona mpanjaka (fa tsy hand\u00e0 anao izy), mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:18", "text": "Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:19", "text": "Ary Batseba nankany amin\u2019 i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin\u2019 i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an\u2019 i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin\u2019 ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an\u2019 ny renin\u2019 ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin\u2019 ny ankavanany izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:20", "text": "Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy hand\u00e0 anao aho. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:21", "text": "Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin\u2019 i Adonia rahalahinao. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:22", "text": "Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an\u2019 i Abisaga Sonemita ho an\u2019 i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an\u2019 i Joaba, zanak\u2019 i Zeroia. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:23", "text": "Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin\u2019 i Jehovah hoe: Hataon\u2019 Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany. " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:24", "text": "Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:25", "text": "Ary Solomona mpanjaka naniraka an\u2019 i Benaia, zanak\u2019 i Joiada; ary izy namely azy ho faty. " }, { "verse": 26, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:26", "text": "Ary Abiatara mpisorona dia nilazan\u2019 ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin\u2019 izao andro izao, satria nitondra ny fiaran\u2019 i Jehovah Tompo teo alohan\u2019 i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin\u2019 ny raiko tamin\u2019 izay rehetra nampahoriana azy. " }, { "verse": 27, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:27", "text": "Ary Solomona dia nanongana an\u2019 i Abiatara tsy ho mpisoron\u2019 i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin\u2019 i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Ely, izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:28", "text": "Ary ren\u2019 i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an\u2019 i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an\u2019 i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin\u2019 ny trano-lain\u2019 i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara. " }, { "verse": 29, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:29", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin\u2019 ny trano-lain\u2019 i Jehovah, ka, indro, eo anilan\u2019 ny alitara izy. Dia nirahin\u2019 i Solomona Benaia, zanak\u2019 i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:30", "text": "Ary Benaia tonga tao amin\u2019 ny tranolain\u2019 i Jehovah ka nanao tamin\u2019 i Joaba hoe: Izao no lazain\u2019 ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin\u2019 ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain\u2019 i Joaba, ary izany no navaliny ahy. " }, { "verse": 31, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:31", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin\u2019 ny taranaky ny raiko ny r\u00e0 marina izay nalatsak\u2019 i Joaba. " }, { "verse": 32, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:32", "text": "Dia hatsingerin\u2019 i Jehovah ho amin\u2019 ny lohany ihany ny r\u00e0ny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin\u2019 ny sabatra, dia Abnera, zanak\u2019 i Nera, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Isiraely sy Amasa, zanak\u2019 i Jatera, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory " }, { "verse": 33, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:33", "text": "Eny, ny ran\u2019 izy roa lahy ireo hitsingerina amin\u2019 ny lohan\u2019 i Joaba sy ny lohan\u2019 ny taranany mandrakizay; fa amin\u2019 i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin\u2019 ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 34, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:34", "text": "Dia niakatra Benaia, zanak\u2019 i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin\u2019 ny fonenany tany an-efitra izy. " }, { "verse": 35, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:35", "text": "Ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada, no notendren\u2019 ny mpanjaka ho solony ho komandin\u2019 ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren\u2019 ny mpanjaka ho solon\u2019 i Abiatara. " }, { "verse": 36, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:36", "text": "Ary ny mpanjaka naniraka naka an\u2019 i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory. " }, { "verse": 37, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:37", "text": "Fa amin\u2019 izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny r\u00e0nao ho amin\u2019 ny lohanao ihany. " }, { "verse": 38, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:38", "text": "Ary hoy Simey tamin\u2019 ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain\u2019 ny mpanjaka tompoko Izany no hataon\u2019 ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema. " }, { "verse": 39, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:39", "text": "Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon\u2019 i Simey, nandositra ho any amin\u2019 i Akisy, zanak\u2019 i Maka mpanjakan\u2019 i Gata. Ary nisy nanambara tamin\u2019 i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao. " }, { "verse": 40, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:40", "text": "Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin\u2019 i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata. " }, { "verse": 41, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:41", "text": "Ary nambara tamin\u2019 i Solomona ny nialan\u2019 i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray. " }, { "verse": 42, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:42", "text": "Ary ny mpanjaka naniraka naka an\u2019 i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin\u2019 i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin\u2019 izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any. " }, { "verse": 43, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:43", "text": "Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin\u2019 i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao? " }, { "verse": 44, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:44", "text": "Ary hoy koa ny mpanjaka tamin\u2019 i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin\u2019 i Davida raiko, eny, tsaroan\u2019 ny fonao izany, ka dia hatsingerin\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny lohanao ny haratsianao. " }, { "verse": 45, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:45", "text": "Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan\u2019 i Davida hampitoerina eo anatrehan\u2019 i Jehovah mandrakizay. " }, { "verse": 46, "chapter": 2, "name": "I Kings 2:46", "text": "Ary ny mpanjaka nandidy an\u2019 i Benaia, zanak\u2019 i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an\u2019 i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-t\u00e0nan\u2019 i Solomona. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "I Kings 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:1", "text": " Ary Solomona tonga vinanton\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin\u2019 i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon\u2019 i Jehovah ary ny m\u00e0ndan\u2019 i Jerosalema manodidina. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:2", "text": "Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah hatramin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:3", "text": "Ary Solomona tia an\u2019 i Jehovah ka nizotra araka ny dian\u2019 i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo ihany. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:4", "text": "Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin\u2019 i Solomona teo amin\u2019 izany alitara izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:5", "text": "Tao Gibeona no nisehoan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Solomona tamin\u2019 ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:6", "text": "Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin\u2019 i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin\u2019 ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian\u2019 ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianany tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:7", "text": "Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro \u00f4, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an\u2019 i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:8", "text": "Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin\u2019 ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:9", "text": "Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:10", "text": "Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan\u2019 i Solomona izany zavatra izany; " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:11", "text": "ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain\u2019 ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao, " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:12", "text": "dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:13", "text": "Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin\u2019 ny andronao rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:14", "text": "Ary raha handeha amin\u2019 ny lalako ianao ka hitandrina ny lal\u00e0ko sy ny didiko tahaka ny nandehanan\u2019 i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:15", "text": "Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an\u2019 ny mpanompony rehetra izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:16", "text": " Ary tamin\u2019 izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin\u2019 ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:17", "text": "Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:18", "text": "Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:19", "text": "Ary maty tamin\u2019 ny alina ny zanak\u2019 izavavy ity, fa voatsindriny. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:20", "text": "Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin\u2019 ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:21", "text": "Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:22", "text": "Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. Izany no teniny teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:23", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako, ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:24", "text": "Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:25", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an\u2019 ny anankiray kosa ny antsasany. " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:26", "text": "Fa niteny tamin\u2019 ny mpanjaka ravehivavy, renin\u2019 ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin\u2019 ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy \u00f4, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy. " }, { "verse": 27, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:27", "text": "Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny. " }, { "verse": 28, "chapter": 3, "name": "I Kings 3:28", "text": "Ary raha ren\u2019 ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon\u2019 ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren\u2019 Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "I Kings 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:1", "text": " Ary nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:2", "text": "Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak\u2019 i Zadoka, no mpisorona; " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:3", "text": "Elihorefa sy Ahia, zanak\u2019 i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak\u2019 i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana; " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:4", "text": "ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada, no komandin\u2019 ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona; " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:5", "text": "ary Azaria, zanak\u2019 i Natana, no lehiben\u2019 ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak\u2019 i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan\u2019 ny mpanjaka, " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:6", "text": "ary Ahisara no lehiben\u2019 ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak\u2019 i Abda, no komandin\u2019 ny mpanao fanompoana. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:7", "text": "Ary Solomona nanendry roa ambin\u2019 ny folo lahy ho amin\u2019 ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain\u2019 ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin\u2019 ny herintaona izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:8", "text": "Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima; " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:9", "text": "Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana; " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:10", "text": "Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy; " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:11", "text": "Ben\u2019 abinadaba tao amin\u2019 ny havoan\u2019 i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin\u2019 i Solomona, no vadiny); " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:12", "text": "Bana, zanak\u2019 i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan\u2019 i Zaretana, ambanin\u2019 i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr\u2019 i Jokneama no azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:13", "text": "Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tan\u00e0na madinika an\u2019 i Ja\u00efra, zanak\u2019 i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina; " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:14", "text": "Ahinadaba, zanak\u2019 Ido, tany Mahanaima; " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:15", "text": "Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an\u2019 i Basemata, zanakavavin\u2019 i Solomona; " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:16", "text": "Bana, zanak\u2019 i Hosay, tany Asera sy Alota; " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:17", "text": "Josafata, zanak\u2019 i Paroa, tany Isakara; " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:18", "text": "Simey, zanak\u2019 i Ela, tany Benjamina; " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:19", "text": "Gabera, zanak\u2019 i Ory, tany amin\u2019 ny tany Gileada, tanin\u2019 i Sihona, mpanjakan\u2019 ny Amorita, sy Oga, mpanjakan\u2019 i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin\u2019 izany tany izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "I Kings 4:20", "text": "Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "I Kings 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:1", "text": "Ary Solomona nanjaka tamin\u2019 ny fanjakana rehetra hatramin\u2019 ny Ony sy ny tanin\u2019 ny Filistina ka hatramin\u2019 ny sisin\u2019 i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an\u2019 i Solomona tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:2", "text": "Ary ny fihinan\u2019 i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora, " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:3", "text": "sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman\u2019 osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:4", "text": "Fa nanapaka ny tany rehetra at\u1ef3 an-dafin\u2019 ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin\u2019 ny mpanjaka rehetra et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin\u2019 ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:5", "text": "Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin\u2019 ny andron\u2019 i Solomona rehetra, samy teny ambanin\u2019 ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:6", "text": "Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran\u2019 ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:7", "text": "Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain\u2019 i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin\u2019 ny: latabatr\u2019 i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin\u2019 ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:8", "text": "Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an\u2019 ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin\u2019 ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:9", "text": "Ary Andriamanitra nanome an\u2019 i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:10", "text": "Ary ny fahendren\u2019 i Solomona nihoatra noho ny fahendren\u2019 ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren\u2019 ny Egyptiana rehetra. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:11", "text": "Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak\u2019 i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin\u2019 ny firenena rehetra manodidina. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:12", "text": "Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:13", "text": "Ary nilaza ny amin\u2019 ny hazo hatramin\u2019 ny hazo sedera any Libanona ka hatramin\u2019 ny hysopa izay maniry eny amin\u2019 ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin\u2019 ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:14", "text": "Ary dia nisy tonga avy tany amin\u2019 ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren\u2019 i Solomona, dia avy amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny tany rehetra izay efa nahare ny amin\u2019 ny fahendreny. " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:15", "text": " Ary Hirama, mpanjakan\u2019 i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin\u2019 i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan\u2019 i Davida hatrizay ela izay. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:16", "text": "Ary Solomona naniraka tany amin\u2019 i Hirama hanao hoe: " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:17", "text": "Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon\u2019 i Jehovah ireo ho eo ambanin\u2019 ny faladiany. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:18", "text": "Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin\u2019 ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:19", "text": "Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin\u2019 ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an\u2019 ny anarako. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:20", "text": "Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin\u2019 ny vahoakanao, ka ny karaman\u2019 ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona at\u1ef3 aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana. " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:21", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Hirama ny tenin\u2019 i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao. " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:22", "text": "Ary Hirama naniraka tany amin\u2019 i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tat\u1ef3 amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin\u2019 ny hazo sedera sy ny hazo kypreso. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:23", "text": "Ny vahoakako hitondra azy mid\u00ecna avy any Libanona ho any amin\u2019 ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin\u2019 ny rano ho any amin\u2019 izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin\u2019 ny fanomezan-kanina ho an\u2019 ny ankohonako. " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:24", "text": "Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an\u2019 i Solomona araka izay rehetra nilainy. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:25", "text": "Ary Solomona kosa nanome an\u2019 i Hirama vary tritika roa alina kora ho an\u2019 ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin\u2019 ny oliva voatoto; izany no nomen\u2019 i Solomona an\u2019 i Hirama isan-taona isan-taona. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:26", "text": "Ary Jehovah nanome fahendrena an\u2019 i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy. " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:27", "text": "Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin\u2019 ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy. " }, { "verse": 28, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:28", "text": "Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra. " }, { "verse": 29, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:29", "text": "Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato valo alina teny an-tendrombohitra, " }, { "verse": 30, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:30", "text": "afa-tsy ny lehiben\u2019 ireo olona voatendrin\u2019 i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa. " }, { "verse": 31, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:31", "text": "Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan\u2019 ny trano. " }, { "verse": 32, "chapter": 5, "name": "I Kings 5:32", "text": "Ary ny mpiasan\u2019 i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "I Kings 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian\u2019 ny nialan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny tany Egypta tamin\u2019 ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin\u2019 ny taona fahefatra nanjakan\u2019 i Solomona tamin\u2019 ny Isiraely, dia nanorina ny tranon\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:2", "text": "Ary ny trano nataon\u2019 i Solomona mpanjaka ho an\u2019 i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:3", "text": "Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan\u2019 ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin\u2019 ny sakan\u2019 ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan\u2019 ny trano ihany. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:4", "text": "Ary ny varavarankelin\u2019 ny trano nataony makarakara tsy mivoha. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:5", "text": "Ary tamin\u2019 ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin\u2019 ny ati-trano lehibe, na amin\u2019 ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina; " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:6", "text": "ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan\u2019 ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin\u2019 ny rindrina. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:7", "text": "Ary tamin\u2019 ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin\u2019 ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon\u2019 ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin\u2019 ny nanaovany azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:8", "text": "Ny varavarana mankao amin\u2019 ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin\u2019 ny ilany ankavanan\u2019 ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin\u2019 ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin\u2019 ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin\u2019 ny fahatelony. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:9", "text": "Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon\u2019 ny trano. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:10", "text": "Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin\u2019 ny trano. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:11", "text": "Ary ny tenin\u2019 i Jehovah tonga tamin\u2019 i Solomona nanao hoe: " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:12", "text": "Ny amin\u2019 ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin\u2019 i Davida rainao; " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:13", "text": "ary hitoetra ao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:14", "text": "Ary nataon\u2019 i Solomona ny trano, ka dia vitany. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:15", "text": "Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin\u2019 ny vodi-rindrina ka hatramin\u2019 ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon\u2019 ny trano. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:16", "text": "Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin\u2019 ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin\u2019 ny vodirindrina ka hatramin\u2019 ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana mas\u00ecna indrindra. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:17", "text": "Ary ny lavan\u2019 ny ati-trano lehibe teo anoloan\u2019 io dia efa-polo hakiho. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:18", "text": "Ary ny sedera amin\u2019 ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin\u2019 ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:19", "text": "Nanisy efitra anatiny tao anatin\u2019 ny trano izy hametrahany ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:20", "text": "Ary teo anoloan\u2019 ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:21", "text": "Ary nopetahan\u2019 i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin\u2019 ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan\u2019 ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:22", "text": "Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:23", "text": "Ary tao anatin\u2019 ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:24", "text": "Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin\u2019 ny tendron\u2019 elany anankiray ka hatramin\u2019 ny tendron\u2019 elany anankiray. " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:25", "text": "Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy: " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:26", "text": "Folo hakiho ny hahavon\u2019 ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray. " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:27", "text": "Ary ny kerobima nataony tao afovoan\u2019 ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin\u2019 ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan\u2019 ny trano. " }, { "verse": 28, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:28", "text": "Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima. " }, { "verse": 29, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:29", "text": "Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin\u2019 ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe. " }, { "verse": 30, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:30", "text": "Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin\u2019 ny efi-trano anatiny, na ny teo amin\u2019 ny ati-trano lehibe. " }, { "verse": 31, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:31", "text": "Ary ny varavarana mankao amin\u2019 ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin\u2019 ny sakan-trano. " }, { "verse": 32, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:32", "text": "Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin\u2019 ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia. " }, { "verse": 33, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:33", "text": "Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin\u2019 ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano. " }, { "verse": 34, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:34", "text": "Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy. " }, { "verse": 35, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:35", "text": "Ary nosoratany nasiany sarin\u2019 ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany. " }, { "verse": 36, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:36", "text": "Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin\u2019 ny vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana izy. " }, { "verse": 37, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:37", "text": "Tamin\u2019 ny volana Ziva tamin\u2019 ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 38, "chapter": 6, "name": "I Kings 6:38", "text": "Ary tamin\u2019 ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin\u2019 ny taona fahiraika ambin\u2019 ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "I Kings 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:1", "text": " Ary telo ambin\u2019 ny folo taona no nanaovan\u2019 i Solomona ny lapany, dia vita. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:2", "text": "Fa nanao ilay trano Alan\u2019 i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin\u2019 ny andry sedera efatra an-dalana mbamin\u2019 ny sedera rairainy teo ambonin\u2019 ny andry. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:3", "text": "Ary ireo efi-trano teo ambonin\u2019 ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin\u2019 ny folo isan\u2019 an-dalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:4", "text": "Ary ny rairainy dia telo an-dalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:5", "text": "Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:6", "text": "Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan\u2019 io. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:7", "text": "Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran\u2019 ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:8", "text": "Ary ny tranony izay nitoerany teo amin\u2019 ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin\u2019 io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Farao, izay efa nampakariny ho vady. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:9", "text": "Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin\u2019 ny fanambaniny ka hatramin\u2019 ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin\u2019 ny kianja lehibe. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:10", "text": "Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:11", "text": "Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera; " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:12", "text": "ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana, tahaka ny amin\u2019 ny kianja anatiny amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah sy amin\u2019 ny lavarangana fidirana amin\u2019 ny trano. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:13", "text": " Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an\u2019 i Hirama avy tany Tyro. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:14", "text": "Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin\u2019 i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:15", "text": "Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin\u2019 ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin\u2019 ny folo hakiho ny manodidina azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:16", "text": "Ary nanao kapitaly varahina roa an-idina izy hatao eo amin\u2019 ny tampon\u2019 ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony, " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:17", "text": "ary harato sy fesitona miolana amin\u2019 ny kapitaly izay teo amin\u2019 ny tampon\u2019 ny andry avy: fito amin\u2019 ny kapitaly iray, ary fito koa amin\u2019 ny kapitaly iray. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:18", "text": "Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa an-dalana manodidina tamin\u2019 ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon\u2019 ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin\u2019 ny kapitaly iray. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:19", "text": "Ary ny kapitaly izay teo an-tampon\u2019 ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin\u2019 ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony; " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:20", "text": "ary ny kapitaly teo an-tampon\u2019 ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin\u2019 ny kibony izay anatin\u2019 ny harato; ary nisy sarin\u2019 ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy. " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:21", "text": "Ary ny andry dia natsangany teo amin\u2019 ny lavarangana fidirana amin\u2019 ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:22", "text": "Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon\u2019 ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin\u2019 ny andry. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:23", "text": "Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben\u2019 ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:24", "text": "Ary tambanin\u2019 ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin\u2019 ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa an-dalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin\u2019 ny tavin-drano. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:25", "text": "Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin\u2019 ny sarin\u2019 omby roa ambin\u2019 ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin\u2019 ireo, ary niady vody izy rehetra. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:26", "text": "Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin\u2019 ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:27", "text": "Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan\u2019 ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony. " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:28", "text": "Ary toy izao ny asa amin\u2019 ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin\u2019 ny sisiny; " }, { "verse": 29, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:29", "text": "ary tamin\u2019 ny kobany izay nohodidinin\u2019 ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin\u2019 ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin\u2019 ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona. " }, { "verse": 30, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:30", "text": "Ary isan\u2019 ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin\u2019 ny tavin-drano no nisy ny sorony an-idina manandrify ny fesitona tsirairay. " }, { "verse": 31, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:31", "text": "Ary ny vavan\u2019 ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin\u2019 ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin\u2019 io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin\u2019 ny faladia, ary tamin\u2019 ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory. " }, { "verse": 32, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:32", "text": "Ary ny kodia efatra dia teo ambanin\u2019 ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin\u2019 ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon\u2019 ny kodia. " }, { "verse": 33, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:33", "text": "Ary ny fomban\u2019 ny kodia dia tahaka ny amin\u2019 ny kodian-kalesy: ny t\u00e0nany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa. " }, { "verse": 34, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:34", "text": "Ary nisy sorony efatra tamin\u2019 ny zorony efatra amin\u2019 ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin\u2019 ny fitoeran-tavin-drano ireo. " }, { "verse": 35, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:35", "text": "Ary teo an-tampon\u2019 ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon\u2019 ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy. " }, { "verse": 36, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:36", "text": "Fa ny koban\u2019 ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin\u2019 ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. " }, { "verse": 37, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:37", "text": "Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy. " }, { "verse": 38, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:38", "text": "Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin\u2019 ny fitoerany folo. " }, { "verse": 39, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:39", "text": "Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan\u2019 ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian\u2019 ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan\u2019 ny trano, dia teo atsimo-atsinanana. " }, { "verse": 40, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:40", "text": "Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron\u2019 afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan\u2019 i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an\u2019 i Solomona mpanjaka ho amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 41, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:41", "text": "dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin\u2019 ny kapitaly izay teny an-tampon\u2019 ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin\u2019 ny kapitaly izay teo an-tampon\u2019 ny andry avy, " }, { "verse": 42, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:42", "text": "ary ny sarin\u2019 ampongabendanitra efa-jato ho amin\u2019 ny harato roa, ampongabendanitra roa an-dalana ho amin\u2019 ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin\u2019 ny kapitaly izay teny an-tampon\u2019 ny andry avy, " }, { "verse": 43, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:43", "text": "ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin\u2019 ny fitoerany " }, { "verse": 44, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:44", "text": "ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin\u2019 omby roa ambin\u2019 ny folo teo ambaniny. " }, { "verse": 45, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:45", "text": "ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron\u2019 afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon\u2019 i Hirama ho an\u2019 i Solomona mpanjaka ho amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah, dia varahina manganohano avokoa. " }, { "verse": 46, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:46", "text": "Teo amin\u2019 ny tany amoron\u2019 i Jordana no nanaovan\u2019 ny mpanjaka an-idina azy tamin\u2019 ny tanimanga teo anelanelan\u2019 i Sokota sy Zaretana. " }, { "verse": 47, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:47", "text": "Ary tsy nolanjain\u2019 i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan\u2019 ny varahina. " }, { "verse": 48, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:48", "text": "Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran\u2019 ny mofo aseho, " }, { "verse": 49, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:49", "text": "ary ny fanaovan-jiro, dimy amin\u2019 ny ankavanana ary dimy amin\u2019 ny ankavia, teo anoloan\u2019 ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa; " }, { "verse": 50, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:50", "text": "ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin\u2019 ny lela-varavaran\u2019 ny efitra anatiny, dia ny fitoerana mas\u00ecna indrindra, sy ho amin\u2019 ny lela-varavaran\u2019 ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa. " }, { "verse": 51, "chapter": 7, "name": "I Kings 7:51", "text": "Toy izany no nahavitana ny asa nataon\u2019 i Solomona mpanjaka ho amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah; ary nampidirin\u2019 i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin\u2019 i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "I Kings 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:1", "text": " Ary tamin\u2019 izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon\u2019 ny Isiraely sy ny lohan\u2019 ny firenena rehetra, dia ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah avy ao Ziona. Tan\u00e0nan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:2", "text": "Dia nivory ho any amin\u2019 i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny andro firavoravoana tamin\u2019 ny volana Etanima (volana fahafito izany). " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:3", "text": "Ary tonga ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara; " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:4", "text": "ary dia nampakariny ny fiaran\u2019 i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin\u2019 ny fanaka mas\u00ecna rehetra izay tao amin\u2019 ny lay. Nampakarin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:5", "text": "Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan\u2019 ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman\u2019 osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:6", "text": "Ary ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah dia nampidirin\u2019 ny mpisorona ho ao amin\u2019 ny fitoerany tao anatin\u2019 ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana mas\u00ecna indrindra, teo ambanin\u2019 ny elatry ny kerobima, " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:7", "text": "fa nivelatra teo ambonin\u2019 ny fitoeran\u2019 ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:8", "text": "Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna eo anoloan\u2019 ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:9", "text": "Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin\u2019 ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon\u2019 i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 ny nivoahany avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:10", "text": "Ary nony nivoaka avy tao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ny mpisorona, dia nameno ny tranon\u2019 i Jehovah ny rahona; " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:11", "text": "ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr\u2019 i Jehovah nameno ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:12", "text": "Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin\u2019 ny aizim-pito Izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:13", "text": "Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:14", "text": "Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:15", "text": "ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin\u2019 i Davida raiko, ary ny t\u00e0nany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:16", "text": "Hatramin\u2019 ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tan\u00e0na nofidiko tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran\u2019 ny anarako; fa nifidy an\u2019 i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:17", "text": "Ary efa mby tao am-pon\u2019 i Davida raiko ny hanao trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:18", "text": "Nefa hoy Jehovah tamin\u2019 i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an\u2019 ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:19", "text": "Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an\u2019 ny anarako. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:20", "text": "Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an\u2019 i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely tahaka ny efa nolazain\u2019 i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:21", "text": "Ary nasiako fitoerana teo ho an\u2019 ny fiara izay itoeran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, ilay nataony tamin\u2019 ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:22", "text": "Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran\u2019 i Jehovah teo anatrehan\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny t\u00e0nany nanandrify ny lanitra " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:23", "text": "ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin\u2019 ny lanitra ambony na amin\u2019 ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an\u2019 ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin\u2019 ny fony rehetra, " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:24", "text": "sady efa nahatanteraka tamin\u2019 i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain\u2019 ny vavanao izany dia notanterahin\u2019 ny tananao tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:25", "text": "Koa tanteraho amin\u2019 i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako. " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:26", "text": "Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, mifona aminao aho, aoka ho t\u00f2 anie ny teninao, izay nolazainao tamin\u2019 i Davida raiko mpanomponao. " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:27", "text": "Andriamanitra va dia honina et\u1ef3 an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:28", "text": "Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan\u2019 ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro \u00f4, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon\u2019 ny mpanomponao eto anatrehanao anio, " }, { "verse": 29, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:29", "text": "mba hihiratan\u2019 ny masonao andro aman\u2019 alina amin\u2019 ity trano ity, dia amin\u2019 ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon\u2019 ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity. " }, { "verse": 30, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:30", "text": "Ary henoy ny fifonan\u2019 ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamel\u00e0 heloka. " }, { "verse": 31, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:31", "text": "Raha misy olona manota amin\u2019 ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan\u2019 ny alitaranao amin\u2019 ity trano ity izy, " }, { "verse": 32, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:32", "text": "dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsar\u00e0 ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin\u2019 ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany. " }, { "verse": 33, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:33", "text": "Raha resy eo anoloan\u2019 ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin\u2019 ity trano ity izy, " }, { "verse": 34, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:34", "text": "dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamel\u00e0 ny fahotan\u2019 ny Isiraely olonao, ary ampodio amin\u2019 ny tany nomenao ny razany izy. " }, { "verse": 35, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:35", "text": "Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan\u2019 ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin\u2019 ny fahotany, satria ampahorinao, " }, { "verse": 36, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:36", "text": "dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamel\u00e0 ny fahotan\u2019 ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin\u2019 ny taninao, izay nomenao ho lovan\u2019 ny olonao. " }, { "verse": 37, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:37", "text": "Raha misy mosary amin\u2019 ny tany, na areti-mandringana, na mainan\u2019 ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin\u2019 ny taniny, dia ao amin\u2019 ny tan\u00e0nany, na inona fahoriana, na inona aretina, " }, { "verse": 38, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:38", "text": "izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon\u2019 olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian\u2019 ny fony avy, ka mamelatra ny t\u00e0nany manatrika ity trano ity izy " }, { "verse": 39, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:39", "text": "dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamel\u00e0 heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon\u2019 ny zanak\u2019 olombelona rehetra), " }, { "verse": 40, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:40", "text": "mba hatahorany Anao amin\u2019 Izay andro rehetra hiainany et\u1ef3 amin\u2019 ny tany nomenao ny razanay. " }, { "verse": 41, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:41", "text": "Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan\u2019 ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin\u2019 ny tany lavitra noho ny amin\u2019 ny anaranao izy " }, { "verse": 42, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:42", "text": "(fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, " }, { "verse": 43, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:43", "text": "dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan\u2019 ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon\u2019 ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin\u2019 ity trano nataoko ity. " }, { "verse": 44, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:44", "text": "Raha mivoaka hiady amin\u2019 ny fahavalon\u2019 ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin\u2019 i Jehovah manandrify ny tan\u00e0na izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an\u2019 ny anaranao izy, " }, { "verse": 45, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:45", "text": "dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy. " }, { "verse": 46, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:46", "text": "Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan\u2019 ny fahavalony, ka dia ho entin\u2019 ny mpamabo ho babo any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky. " }, { "verse": 47, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:47", "text": "ary mahatsiaro any amin\u2019 ny tanin\u2019 ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin\u2019 ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy. " }, { "verse": 48, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:48", "text": "ka dia miverina aminao amin\u2019 ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin\u2019 ny tanin\u2019 ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tan\u00e0na izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an\u2019 ny anaranao, " }, { "verse": 49, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:49", "text": "dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy; " }, { "verse": 50, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:50", "text": "eny, mamel\u00e0 ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin\u2019 izay mamabo azy izy, dia ny hamindran\u2019 ireo fo aminy; " }, { "verse": 51, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:51", "text": "fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin\u2019 ny memy fandrendreham-by, " }, { "verse": 52, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:52", "text": "mba hihiratan\u2019 ny masonao amin\u2019 ny fifonan\u2019 ny mpanomponao sy ny fifonan\u2019 ny Isiraely olonao hihaino azy amin\u2019 izay rehetra iantsoany Anao. " }, { "verse": 53, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:53", "text": "Fa Hianao, Jehovah, Tompo \u00f4 no nanavaka azy tamin\u2019 ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an\u2019 i Mosesy mpanomponao tamin\u2019 ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta. " }, { "verse": 54, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:54", "text": "Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon\u2019 i Solomona tamin\u2019 i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah izay efa nandohalehan\u2019 ny lohaliny sy efa namelarany ny t\u00e0nany ho amin\u2019 ny lanitra izy. " }, { "verse": 55, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:55", "text": "Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin\u2019 ny feo mahery hoe: " }, { "verse": 56, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:56", "text": "Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an\u2019 ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin\u2019 izay teny soa rehetra nampilazainy an\u2019 i Mosesy mpanompony. " }, { "verse": 57, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:57", "text": "Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin\u2019 ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy, " }, { "verse": 58, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:58", "text": "mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin\u2019 ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lal\u00e0ny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika. " }, { "verse": 59, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:59", "text": "Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan\u2019 i Jehovah izany ho ao amin\u2019 i Jehovah Andriamanitsika andro aman\u2019 alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan\u2019 andro, " }, { "verse": 60, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:60", "text": "mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. " }, { "verse": 61, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:61", "text": "Ary aoka ho marina amin\u2019 i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin\u2019 ny didiny sy hitandremanareo ny lal\u00e0ny, tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 62, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:62", "text": "Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 63, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:63", "text": "Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an\u2019 i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman\u2019 osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan\u2019 ny mpanjaka sy ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 64, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:64", "text": "Ary androtr\u2019 io ihany no nanamasinan\u2019 ny mpanjaka ny afovoan\u2019 ny kianja izay teo anoloan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran\u2019 ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran\u2019 ny fanati-pihavanana. " }, { "verse": 65, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:65", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin\u2019 i Hamata ka hatramin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin\u2019 ny folo andro. " }, { "verse": 66, "chapter": 8, "name": "I Kings 8:66", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "I Kings 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:1", "text": " Ary rehefa vitan\u2019 i Solomona ny nanaovany ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny lapan\u2019 ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao, " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:2", "text": "dia niseho tamin\u2019 i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:3", "text": "Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin\u2019 ity mandrakariva ny masoko sy ny foko. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:4", "text": "Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan\u2019 i Davida rainao tamin\u2019 ny fahitsian\u2019 ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:5", "text": "dia hampitoeriko mandrakizay amin\u2019 ny Isiraely ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin\u2019 i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely ianao. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:6", "text": "Fa raha miala amin\u2019 ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lal\u00e0ko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany, " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:7", "text": "dia hofongorako tsy ho amin\u2019 ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an\u2019 ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin\u2019 ny firenena rehetra; " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:8", "text": "ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan\u2019 izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon\u2019 i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity? " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:9", "text": "Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an\u2019 i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, ary nikikitra tamin\u2019 andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran\u2019 i Jehovah izao loza rehetra izao taminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:10", "text": " Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan\u2019 i Solomona ny trano roa, dia ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny lapan\u2019 ny mpanjaka " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:11", "text": "(Hirama, mpanjakan\u2019 i Tyro, nanome an\u2019 i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen\u2019 i Solomona tan\u00e0na roa-polo tany amin\u2019 ny tany Galilia kosa Hirama. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:12", "text": "Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tan\u00e0na izay nomen\u2019 i Solomona azy, ka tsy tiany ireny. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:13", "text": "Dia hoy izy: Hatao inona ireo tan\u00e0na nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:14", "text": "Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:15", "text": "Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin\u2019 i Solomona mpanjaka ny olona, tamin\u2019 ny nanaovany ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny lapan\u2019 andriana ary Milo sy ny m\u00e0ndan\u2019 i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:16", "text": "(fa Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an\u2019 i Gazera ka nandoro azy tamin\u2019 ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tan\u00e0na dia novonoiny, ary ny tan\u00e0na dia nomeny ho haren-jazavavy ho an\u2019 ny zananivavy, vadin\u2019 i Solomona), " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:17", "text": "ary, Solomona nanamboatra an\u2019 i Gazera sy Beti-horona ambany " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:18", "text": "sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin\u2019 ny tany Samata, " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:19", "text": "ary ny tan\u00e0na fitehirizana rehetra izay nananan\u2019 i Solomona sy ny tan\u00e0na fitoeran\u2019 ny kalesy sy ny tan\u00e0na fitoeran\u2019 ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian\u2019 i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin\u2019 ny tany nanjakany rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:20", "text": "Ary ny olona sisa rehetra tamin\u2019 ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:21", "text": "dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin\u2019 ny tany, izay tsy azon\u2019 ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin\u2019 i Solomona fanompoana mandraka androany. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:22", "text": "Fa ny Zanak\u2019 Isiraely dia tsy mba nampanaovin\u2019 i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin\u2019 ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:23", "text": "Izao no isan\u2019 ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan\u2019 i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:24", "text": "Ary rehefa niakatra avy any an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida ny zanakavavin\u2019 i Farao hankany amin\u2019 ny tranony izay nataon\u2019 i Solomona ho azy, dia nanao an\u2019 i Milo koa izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:25", "text": "Ary intelo isan-taona no nanateran\u2019 i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin\u2019 ny alitara izay naoriny ho an\u2019 i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin\u2019 ny alitara teo anatrehan\u2019 i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:26", "text": "Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan\u2019 i Elota, ao amoron\u2019 ny Ranomasina Mena, amin\u2019 ny tany Edoma. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:27", "text": "Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin\u2019 ny sambo, dia matil\u00f4 izay nahay ranomasina, hiaraka amin\u2019 ny vahoakan\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "I Kings 9:28", "text": "Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin\u2019 i Solomona mpanjaka izany. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "I Kings 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:1", "text": " Ary ny mpanjakavavin\u2019 i Sheba, rehefa nahare ny lazan\u2019 i Solomona ny amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin\u2019 ny fanontaniana sarotra, " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:2", "text": "ka tonga tany Jerosalema izy mbamin\u2019 ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin\u2019 i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:3", "text": "Ary voavalin\u2019 i Solomona izy tamin\u2019 izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin\u2019 ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:4", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ilay mpanjakavavin\u2019 i Sheba ny fahendren\u2019 i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:5", "text": "sy ny fihinany teo amin\u2019 ny latabany sy ny fipetrahan\u2019 ny tandapany sy ny fitoeran\u2019 ny mpanompony mbamin\u2019 ny fitafian\u2019 ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah, dia talanjona ter\u1ef3 izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:6", "text": "Ka hoy izy tamin\u2019 ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin\u2019 ny taniko ny amin\u2019 ny teninao sy ny fahendrenao. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:7", "text": "kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga at\u1ef3, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:8", "text": "Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:9", "text": "Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely; fa noho ny fitiavan\u2019 i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:10", "text": "Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an\u2019 ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen\u2019 ny mpanjakavavin\u2019 i Sheba ho an\u2019 i Solomona mpanjaka. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:11", "text": "Ary ny sambon\u2019 i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:12", "text": "Ary ny hazo almoga dia nataon\u2019 ny mpanjaka arofanina tamin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny lapan\u2019 andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an\u2019 ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:13", "text": "Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin\u2019 i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen\u2019 i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin\u2019 ny taniny izy mbamin\u2019 ny mpanompony. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:14", "text": " Ary ny lanjan\u2019 ny volamena izay tonga tao amin\u2019 i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato, " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:15", "text": "afa-tsy izay azony tamin\u2019 ny mpandranto sy ny tamin\u2019 ny varotry ny mpivarotra ary tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny firenena samy hafa rehetra sy tamin\u2019 ny mpanapaka ny tany. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:16", "text": "Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin\u2019 ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin\u2019 ny ampinga lehibe iray. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:17", "text": "Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin\u2019 ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin\u2019 ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin\u2019 ny trano Alan\u2019 i Libanona ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:18", "text": "Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:19", "text": "Nisy ambaratonga enina tamin\u2019 ny seza fiandrianana; ary ny lohan\u2019 ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin\u2019 ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin\u2019 ny fitehenan-tanana. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:20", "text": "Ary nisy sarin-diona roa ambin\u2019 ny folo teo an-daniny roa teo amin\u2019 ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin\u2019 ny fanjakana rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:21", "text": "Ary ny fisotroan\u2019 i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin\u2019 ny trano Alan\u2019 i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin\u2019 ny andron\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:22", "text": "Fa ny mpanjaka nanana sambon\u2019 i Tarsisy mbamin\u2019 ny sambon\u2019 i Hirama teny ambonin\u2019 ny ranomasina; ary indray mandeha amin\u2019 ny telo taona no nihavian\u2019 ny sambon\u2019 i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola. " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:23", "text": "Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:24", "text": "Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan\u2019 i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon\u2019 Andriamanitra tao am-pony. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:25", "text": "Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra. " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:26", "text": "Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin\u2019 ireo tan\u00e0na fitoeran\u2019 ny kalesy sy tao amin\u2019 ny mpanjaka tany Jerosalema. " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:27", "text": "Ary nataon\u2019 ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka. " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:28", "text": "Ary avy any Egypta no nahazoan\u2019 i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin\u2019 ny mpandranton\u2019 ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry. " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "I Kings 10:29", "text": "Ary ny vidin\u2019 ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Hetita sy ny mpanjakan\u2019 ny Syriana. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "I Kings 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:1", "text": " Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin\u2019 i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita, " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:2", "text": "dia vehivavy avy amin\u2019 ny firenena izay nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin\u2019 ireo no niraiketan\u2019 ny fitiavan\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:3", "text": "Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:4", "text": "Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin\u2019 ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon\u2019 i Davida rainy. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:5", "text": "Fa Solomona nanaraka an\u2019 i Astarta, andriamani-bavin\u2019 ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan\u2019 ny Amonita. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:6", "text": "Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin\u2019 ny fanarahana Azy tahaka an\u2019 i Davida rainy. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:7", "text": "Ary tamin\u2019 izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an\u2019 i Kemosy, fahavetavetan\u2019 i Moaba, teo amin\u2019 ny havoana tandrifin\u2019 i Jerosalema, ary ho an\u2019 i Moloka, fahavetavetan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:8", "text": "Ary toy izany koa no nataony ho an\u2019 izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 ny andriamaniny. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:9", "text": "Ary Jehovah tezitra tamin\u2019 i Solomona noho ny nivilian\u2019 ny fony niala tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:10", "text": "sady efa nandidy azy ny amin\u2019 izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:11", "text": "Ka dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:12", "text": "Kanefa kosa tsy hataoko amin\u2019 ny andronao izany noho ny amin\u2019 i Davida rainao; fa rehefa mby amin\u2019 ny zanakao vao hendahako aminy. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:13", "text": "Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin\u2019 i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:14", "text": "Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an\u2019 i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Edoma. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:15", "text": "Fa rehefa nanafika an\u2019 i Edoma Davida, ary Joaba, komandin\u2019 ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:16", "text": "(fa enim-bolana no nitoeran\u2019 i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany), " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:17", "text": "dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin\u2019 izay. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:18", "text": "Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:19", "text": "Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason\u2019 i Farao, ka dia ny rahavavin\u2019 i Tapanesa, vadin\u2019 ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:20", "text": "Ary ny rahavavin\u2019 i Tapanesa niteraka zazalahy tamin\u2019 i Hadada, dia Genobata, izay notazan\u2019 i Tapanesa tao an-tranon\u2019 i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Farao tao an-dapa. " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:21", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin\u2019 ny razany, sady maty koa Joaba, komandin\u2019 ny miaramila, dia hoy izy tamin\u2019 i Farao: Alefaso aho hody any amin\u2019 ny tanin-drazako. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:22", "text": "Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao at\u1ef3 amiko, no dia mitady hody any amin\u2019 ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:23", "text": "Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an\u2019 i Solomona, dia Rezona, zanak\u2019 i Eliada, izay efa nandositra an\u2019 i Hadadezera tompony, mpanjakan\u2019 i Zoba. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:24", "text": "Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin\u2019 ny namonoan\u2019 i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:25", "text": "Ary izy koa dia fahavalon\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny andron\u2019 i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon\u2019 i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria. " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:26", "text": "Ary Jerobeama, zanak\u2019 i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon\u2019 i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tan\u00e0na hikomy tamin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:27", "text": "Ary izao no fototry ny nanaingany tan\u00e0na hikomy tamin\u2019 ny mpanjaka: Solomona nanorina an\u2019 i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida rainy; " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:28", "text": "ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan\u2019 i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak\u2019 i Josefa tamin\u2019 ny fanompoany rehetra. " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:29", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha. " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:30", "text": "Dia noraisin\u2019 i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin\u2019 ny folo. " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:31", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:32", "text": "(nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin\u2019 i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tan\u00e0na izay nofidiko tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely), " }, { "verse": 33, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:33", "text": "satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan\u2019 i Astarta, andriamani-bavin\u2019 ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr\u2019 i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak\u2019 i Amona, fa tsy nandeha tamin\u2019 ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an\u2019 i Davida rainy. " }, { "verse": 34, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:34", "text": "Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin\u2019 ny andro rehetra hiainany noho ny amin\u2019 i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lal\u00e0ko sy ny didiko; " }, { "verse": 35, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:35", "text": "fa hesoriko eo an-t\u00e0nan\u2019 ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany. " }, { "verse": 36, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:36", "text": "Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an\u2019 i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tan\u00e0na izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako. " }, { "verse": 37, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:37", "text": "Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin\u2019 izay rehetra irin\u2019 ny fanahinao ary ho mpanjaka amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 38, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:38", "text": "Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin\u2019 ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lal\u00e0ko tahaka izay nataon\u2019 i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an\u2019 i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. " }, { "verse": 39, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:39", "text": "Ary hampietry ny taranak\u2019 i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay. " }, { "verse": 40, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:40", "text": "Ary Solomona nitady hamono an\u2019 i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin\u2019 i Sisaka, mpanjakan\u2019 i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 41, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:41", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Solomona sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 i Solomona va izany? " }, { "verse": 42, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:42", "text": "Ary ny andro nanjakan\u2019 i Solomona tamin\u2019 ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona. " }, { "verse": 43, "chapter": 11, "name": "I Kings 11:43", "text": "Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "I Kings 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:1", "text": " Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan\u2019 ny Isiraely rehetra hampanjaka azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:2", "text": "Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin\u2019 izy nandositra niala teo anatrehan\u2019 i Solomona mpanjaka; " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:3", "text": "ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:4", "text": "Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:5", "text": "Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa at\u1ef3 amiko indray. Dia lasa ny olona. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:6", "text": "Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin\u2019 ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan\u2019 i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka? " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:7", "text": "Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon\u2019 ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:8", "text": "Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen\u2019 ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin\u2019 ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:9", "text": "ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:10", "text": "Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin\u2019 ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan\u2019 ny raiko; " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:11", "text": "koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan\u2019 ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:12", "text": "Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin\u2019 ny andro fahatelo, araka ilay nolazain\u2019 ny mpanjaka hoe: Mankanesa at\u1ef3 amiko indray amin\u2019 ny andro fahatelo. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:13", "text": "Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin\u2019 ny olona, fa nand\u00e0 ny saina nomen\u2019 ireo zoki-olona azy izy " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:14", "text": "ka niteny taminy araka ny hevitra nomen\u2019 ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain\u2019 ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:15", "text": "Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin\u2019 i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an\u2019 i Ahia Silonita tamin\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:16", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin\u2019 i Davida? Tsy manana lova amin\u2019 ny zanak\u2019 i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida \u00f4. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:17", "text": "Fa ny Zanak\u2019 Isiraely izay nonina tany an-tan\u00e0nan\u2019 ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:18", "text": "Ary dia naniraka an\u2019 i Adorama, komandin\u2019 ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin\u2019 ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:19", "text": "Ka dia niodina tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida ny Isiraely mandraka androany. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:20", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin\u2019 ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin\u2019 ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak\u2019 i Davida afa-tsy ny firenen\u2019 i Joda ihany. " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:21", "text": "Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak\u2019 i Joda rehetra mbamin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:22", "text": "Kanjo tonga tamin\u2019 i Semaia, lehilahin\u2019 Andriamanitra, kosa ny tenin\u2019 Andriamanitra nanao hoe " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:23", "text": "Mitenena amin-dRehoboama, zanak\u2019 i Solomona, mpanjakan\u2019 ny Joda, sy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda sy Benjamina rehetra ary amin\u2019 ny vahoaka sisa hoe: " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:24", "text": "Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Aza mandeha hiady amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin\u2019 i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:25", "text": " Ary Jeroboama dia nanamboatra an\u2019 i Sekema any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an\u2019 i Pehoela koa. " }, { "verse": 26, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:26", "text": "Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida ihany; " }, { "verse": 27, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:27", "text": "fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin\u2019 ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan\u2019 ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan\u2019 ny Joda, indray. " }, { "verse": 28, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:28", "text": "Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin\u2019 ny olona: \u201cAoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely \u00f4\u201d indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta. " }, { "verse": 29, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:29", "text": "Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana. " }, { "verse": 30, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:30", "text": "Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo hatrany Dana. " }, { "verse": 31, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:31", "text": "Ary nanao trano teny amin\u2019 ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan\u2019 ny taranak\u2019 i Levy. " }, { "verse": 32, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:32", "text": "Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin\u2019 ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin\u2019 ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin\u2019 ny fitoerana avo izay notendreny. " }, { "verse": 33, "chapter": 12, "name": "I Kings 12:33", "text": "Ary nanatitra fanatitra teo ambonin\u2019 ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin\u2019 ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "I Kings 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:1", "text": " Ary, indro, nisy lehilahin\u2019 Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin\u2019 i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan\u2019 ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:2", "text": "Ary ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara \u00f4, ry alitara \u00f4! izao no lazain\u2019 i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin\u2019 ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan\u2019 olona no hodorana eo amboninao. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:3", "text": "Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain\u2019 i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:4", "text": "Ary nony ren\u2019 i Jeroboama mpanjaka ny tenin\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny t\u00e0nany niala tamin\u2019 ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny t\u00e0nany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:5", "text": "Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra noho ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:6", "text": "Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra dia nifona tamin\u2019 i Jehovah, ka dia azon\u2019 ny mpanjaka noketrahina indray ny t\u00e0nany ka tonga tahaka ny teo. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:7", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:8", "text": "Fa hoy ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano at\u1ef3 aho; " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:9", "text": "fa izao no tenin\u2019 i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin\u2019 izay lalana efa nalehanao. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:10", "text": "Dia nandeha tamin\u2019 ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin\u2019 ilay nalehany ho any Betela. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:11", "text": "Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra androtr\u2019 iny tao Betela; ary nolazain\u2019 ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:12", "text": "Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra izay tonga avy tany Joda. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:13", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:14", "text": "Ary dia nanaraka ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin\u2019 ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra avy tany Joda? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:15", "text": "Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:16", "text": "Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao at\u1ef3 aho, " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:17", "text": "satria tonga tamiko ny tenin\u2019 i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin\u2019 ny lalana efa nalehanao. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:18", "text": "Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin\u2019 i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:19", "text": "Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:20", "text": "Ary raha mbola nipetraka teo amin\u2019 ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin\u2019 ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:21", "text": "ary izy niteny mafy tamin\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Satria nand\u00e0 ny tenin\u2019 i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian\u2019 i Jehovah Andriamanitrao anao, " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:22", "text": "fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin\u2019 ny tany izay nandraran\u2019 i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:23", "text": "Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan\u2019 ilay mpaminany naveriny. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:24", "text": "Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan\u2019 ny faty. " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:25", "text": "Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan\u2019 ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tan\u00e0na izay nitoeran\u2019 ilay mpaminany antitra. " }, { "verse": 26, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:26", "text": "Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra nand\u00e0 ny tenin\u2019 i Jehovah izay; fa natolotr\u2019 i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin\u2019 i Jehovah, izay efa nolazainy taminy. " }, { "verse": 27, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:27", "text": "Ary izy niteny tamin\u2019 ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:28", "text": "Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan\u2019 ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky. " }, { "verse": 29, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:29", "text": "Ary nobetain\u2019 ilay mpaminany ny fatin\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra ka nasampiny tamin\u2019 ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tan\u00e0na ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy. " }, { "verse": 30, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:30", "text": "Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian\u2019 ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko! " }, { "verse": 31, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:31", "text": "Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin\u2019 ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin\u2019 ny fasana izay ilevenan\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra, ka ataovy eo anilan\u2019 ny taolany ny taolako; " }, { "verse": 32, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:32", "text": "fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin\u2019 i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin\u2019 ny alitara ao Betela sy amin\u2019 ny trano rehetra eny amin\u2019 ny fitoerana avo izay any an-tan\u00e0nan\u2019 i Samaria. " }, { "verse": 33, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:33", "text": "Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin\u2019 ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin\u2019 ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin\u2019 ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin\u2019 ny fitoerana avo. " }, { "verse": 34, "chapter": 13, "name": "I Kings 13:34", "text": "Ary dia tonga fahotan\u2019 ny taranak\u2019 i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin\u2019 ny tany. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "I Kings 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:1", "text": " Tamin\u2019 izany andro izany dia narary Abia, zanak\u2019 i Jeroboama. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:2", "text": "Ary hoy Jeroboama tamin\u2019 ny vadiny: Mas\u00ecna ianao, mitsang\u00e0na, ka miov\u00e0 endrika, mba tsy ho fantatr\u2019 olona ho vadin\u2019 i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan\u2019 ity firenena ity aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:3", "text": "Koa mitondr\u00e0 mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:4", "text": "Dia nanao araka izany ny vadin\u2019 i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon\u2019 i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:5", "text": "Ary Jehovah efa nilaza tamin\u2019 i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin\u2019 i Jeroboama hanontany anao ny amin\u2019 ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:6", "text": "Ary nony ren\u2019 i Ahia ny fingodongodon\u2019 ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin\u2019 i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:7", "text": "Koa mandehana, ka lazao amin\u2019 i Jeroboama hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin\u2019 ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko, " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:8", "text": "ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an\u2019 i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin\u2019 ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany; " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:9", "text": "fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao: " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:10", "text": "koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin\u2019 ny taranak\u2019 i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin\u2019 ny tamingan\u2019 i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin\u2019 ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin\u2019 ny taranak\u2019 i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:11", "text": "Koa izay tamingan\u2019 i Jeroboama maty ao an-tan\u00e0na dia hohanin\u2019 ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin\u2019 ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:12", "text": "Koa mitsang\u00e0na ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tan\u00e0na ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:13", "text": "Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin\u2019 ny tamingan\u2019 i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:14", "text": "Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an\u2019 ny Isiraely izay handringana ny taranak\u2019 i Jeroboama amin\u2019 izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:15", "text": "Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin\u2019 ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin\u2019 ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:16", "text": "Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon\u2019 i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:17", "text": "Dia niainga ny vadin\u2019 i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin\u2019 ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy; " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:18", "text": "dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Ahia mpaminany mpanompony. " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:19", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:20", "text": "Ary ny andro nanjakan\u2019 i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:21", "text": " Ary Rehoboama, zanak\u2019 i Solomona, no nanjaka tamin\u2019 ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tan\u00e0na nofidin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:22", "text": "Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin\u2019 ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon\u2019 ny razany. " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:23", "text": "Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon\u2019 ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin\u2019 ny hazo maitso rehetra. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:24", "text": "Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin\u2019 ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon\u2019 ny firenena izay noroahin\u2019 i Jehovah teo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:25", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan\u2019 i Egypta, hamely an\u2019 i Jerosalema; " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:26", "text": "dia nobaboiny ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny rakitry ny tranon\u2019 ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon\u2019 i Solomona " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:27", "text": "Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon\u2019 ireny ka nanolotra azy teo an-t\u00e0nan\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpiambina, izay niambina ny varavaran\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanjaka " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:28", "text": "Ary na oviana na oviana no nidiran\u2019 ny mpanjaka tao an-tranon\u2019 i Jehovah, dia nentin\u2019 ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray. " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:29", "text": "Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 30, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:30", "text": "Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama. " }, { "verse": 31, "chapter": 14, "name": "I Kings 14:31", "text": "Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "I Kings 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona fahavalo ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, no vao nanjakan\u2019 i Abia tamin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:2", "text": "Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin\u2019 i Absaloma. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:3", "text": "Ary nandeha tamin\u2019 ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon\u2019 i Davida rainy. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:4", "text": "Nefa noho ny amin\u2019 i Davida dia nomen\u2019 i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an\u2019 i Jerosalema Izy, " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:5", "text": "satria Davida nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah ka tsy nivily niala tamin\u2019 izay nandidiany azy tamin\u2019 ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin\u2019 i Oria Hetita ihany. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:6", "text": "Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:7", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Abia sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? Ary niady Abia sy Jeroboama " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:8", "text": "Ary Abia lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:9", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona faharoa-polo nanjakan\u2019 i Jeroboama, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no vao nanjakan\u2019 i Asa tamin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:10", "text": "Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin\u2019 i Absaloma. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:11", "text": "Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah toy ny nataon\u2019 i Davida rainy. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:12", "text": "Fa nesoriny tamin\u2019 ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:13", "text": "Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an\u2019 ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:14", "text": "Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason\u2019 i Jehovah ny fon\u2019 i Asa tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:15", "text": "Ary nampidiriny ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin\u2019 izay nohamasinin\u2019 ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:16", "text": "Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:17", "text": "Ary Basa, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an\u2019 i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:18", "text": "Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah sy tamin\u2019 ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin\u2019 i Beni-hadada, zanak\u2019 i Tabrimona, zanak\u2019 i Heziona, mpanjakan\u2019 i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe: " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:19", "text": "Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin\u2019 ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin\u2019 i Basa, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, mba hialany amiko. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:20", "text": "Ary Beni-hadada nihaino an\u2019 i Asa mpanjaka ka naniraka komandin\u2019 ny miaramilany hamely ny tan\u00e0nan\u2019 ny Isiraely, ary namely an\u2019 Iona sy Dana sy Abela-beti-maka ary Kinerota rehetra mbamin\u2019 ny tanin\u2019 ny Naftaly rehetra izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:21", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an\u2019 i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:22", "text": "Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin\u2019 ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin\u2019 i Basa; ary nentin\u2019 i Asa mpanjaka nanamboatra an\u2019 i Geban\u2019 i Benjamina sy Mizpa kosa izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:23", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin\u2019 izay rehetra nataony ary ny tan\u00e0na izay nataony, tsy voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? Nefa kosa tamin\u2019 ny andro fahanterany dia narary tamin\u2019 ny tongony izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:24", "text": "Ary lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:25", "text": " Ary Nadaba, zanak\u2019 i Jeroboama, vao nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny taona faharoa nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:26", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa nandeha tamin\u2019 ny lalan-drainy sy tamin\u2019 ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:27", "text": "Ary Basa, zanak\u2019 i Ahia, amin\u2019 ny taranak\u2019 Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an\u2019 ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an\u2019 i Gibetona fahizay). " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:28", "text": "Ary Basa nahafaty azy tamin\u2019 ny taona fahatelo nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:29", "text": "Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin\u2019 i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an\u2019 i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Ahia Silonita mpanompony, " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:30", "text": "noho ny fahotana nataon\u2019 i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin\u2019 izay nataony nampahatezitra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:31", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Nadaba sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:32", "text": "Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:33", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahatelo nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Basa, zanak\u2019 i Ahia, tamin\u2019 ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 15, "name": "I Kings 15:34", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Jeroboama sy tamin\u2019 ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "I Kings 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:1", "text": "Ary tonga tamin\u2019 i Jeho, zanak\u2019 i Hanany, ny tenin\u2019 i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:2", "text": "Satria nasandratro avy tamin\u2019 ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin\u2019 ny fahotany, " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:3", "text": "dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak\u2019 Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:4", "text": "Koa izay tamingan\u2019 i Basa maty ao an-tan\u00e0na dia hohanin\u2019 ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin\u2019 ny voro-manidina. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:5", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Basa sisa mbamin\u2019 izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:6", "text": "Ary Basa lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:7", "text": "Ary Jeho mpaminany zanak\u2019 i Hanany, dia nampitondraina ny tenin\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason\u2019 i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin\u2019 ny asan\u2019 ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin\u2019 i Jeroboama, ary satria namono ireo izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:8", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Elaha, zanak\u2019 i Basa, tamin\u2019 ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:9", "text": "Ary Zimry mpanompony, komandin\u2019 ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon\u2019 i Arza, lehiben\u2019 ny tao an-dapa tao Tirza, izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:10", "text": "Dia niditra Zimry ka namely an\u2019 i Elaha ho faty tamin\u2019 ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:11", "text": "Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin\u2019 ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin\u2019 i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin\u2019 ny havany, na tamin\u2019 ny sakaizany. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:12", "text": "Toy izany no nandringanan\u2019 i Zimry ny mpianakavin\u2019 i Basa rehetra, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Jehovah mpaminany ny amin\u2019 i Basa, " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:13", "text": "noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan\u2019 i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin\u2019 ny zava-poanany. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:14", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Elaha sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:15", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, no nanjakan\u2019 i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an\u2019 i Gibetona, izay an\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:16", "text": "Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an\u2019 i Omry, komandin\u2019 ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:17", "text": "Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an\u2019 i Tirza. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:18", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin\u2019 ny trano avo amin\u2019 ny lapa izy, ary nodorany tamin\u2019 ny afo ny lapa, ka may tao izy, dia maty " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:19", "text": "noho ny fahotana izay nataony tamin\u2019 ny nanaovany izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah, tamin\u2019 ny nandehanany tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Jeroboama sy tamin\u2019 ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:20", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Zimry sisa mbamin\u2019 ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:21", "text": "Ary tamin\u2019 izany dia nizara roa ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak\u2019 i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an\u2019 i Omry. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:22", "text": "Fa ny olona izay nomba an\u2019 i Omry naharesy ny olona izay nomba an\u2019 i Tibny, zanak\u2019 i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka. " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:23", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Omry; ary nanjaka roa ambin\u2019 ny folo taona tamin\u2019 ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona. " }, { "verse": 24, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:24", "text": "Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin\u2019 i Samera ny havoan\u2019 i Samaria, dia nanao tan\u00e0na teo an-tampon\u2019 ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran\u2019 i Samera, tompon\u2019 ny havoana, ny anaran\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 25, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:25", "text": "Fa Omry nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy; " }, { "verse": 26, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:26", "text": "fa nandeha tamin\u2019 ny lalana rehetra nalehan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, sy tamin\u2019 ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin\u2019 ny zava-poanany. " }, { "verse": 27, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:27", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Omry sisa mbamin\u2019 izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 28, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:28", "text": "Ary Omry lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:29", "text": " Ary Ahaba, zanak\u2019 i Omry, vao nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, ary nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:30", "text": "Ary Ahaba, zanak\u2019 i Omry, nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany. " }, { "verse": 31, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:31", "text": "Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, ka dia nampakatra an\u2019 i Jezebela, zanakavavin\u2019 i Etibala, mpanjakan\u2019 ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an\u2019 i Bala ka niankohoka teo anatrehany. " }, { "verse": 32, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:32", "text": "Ary nanao alitara ho an\u2019 i Bala tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Bala izay nataony tao Samaria izy. " }, { "verse": 33, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:33", "text": "Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely rehetra izay teo alohany. " }, { "verse": 34, "chapter": 16, "name": "I Kings 16:34", "text": "Tamin\u2019 ny andron\u2019 i Ahaba no nanorenan\u2019 i Hiela Betelita an\u2019 i Jeriko; ny ain\u2019 i Ab\u00ecrama lahimatoany no sazin\u2019 ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain\u2019 i Segoba faralahiny no sazin\u2019 ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Josoa, zanak\u2019 i Nona. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "I Kings 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:1", "text": " Ary Elia Tisbita, isan\u2019 ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin\u2019 i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin\u2019 izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:2", "text": "Ary ny tenin\u2019 i Jehovah tonga taminy nanao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:3", "text": "Mial\u00e0 eto ianao, dia miantsinan\u00e0na ka miere any anilan\u2019 ny renirano Kerita, izay any atsinanan\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:4", "text": "Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:5", "text": "Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin\u2019 i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan\u2019 ny renirano Kerita any atsinanan\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:6", "text": "Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin\u2019 ny renirano no nisotroany. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:7", "text": "Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian\u2019 ny ranonorana tamin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:8", "text": "Ary ny tenin\u2019 i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe: " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:9", "text": "Miaing\u00e0 ka mankanesa any Zarefata, izay naman\u2019 i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:10", "text": "Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin\u2019 ny tan\u00e0na izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Mas\u00ecna hianao, itondray rano kely amin\u2019 ny fisotroana aho mba hosotroiko. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:11", "text": "Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Mas\u00ecna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:12", "text": "Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-t\u00e0nan\u2019 ila ao amin\u2019 ny barika sy diloilo kely foana ao amin\u2019 ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:13", "text": "Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento et\u1ef3 amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:14", "text": "Fa izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin\u2019 ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin\u2019 ny tavoara mandra-pihavin\u2019 ny andro handatsahan\u2019 i Jehovah ranonorana amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:15", "text": "Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin\u2019 i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin\u2019 ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:16", "text": "Nefa tsy lany ny koba tao amin\u2019 ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin\u2019 ny tavoara, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Elia. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:17", "text": "Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:18", "text": "Dia hoy ravehivavy tamin\u2019 i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin\u2019 Andriamanitra \u00f4? Tonga at\u1ef3 amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako? " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:19", "text": "Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:20", "text": "Dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro \u00f4, efa nahatonga loza koa tamin\u2019 ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? " }, { "verse": 21, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:21", "text": "Dia niampatra intelo tamin\u2019 ny zaza izy sady nitaraina tamin\u2019 i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro \u00f4, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain\u2019 ity zaza ity. " }, { "verse": 22, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:22", "text": "Ary Jehovah nihaino ny feon\u2019 i Elia, dia nody taminy indray ny ain\u2019 ny zaza, ka dia velona izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:23", "text": "Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao. " }, { "verse": 24, "chapter": 17, "name": "I Kings 17:24", "text": "Ary hoy ravehivavy tamin\u2019 i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin\u2019 Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin\u2019 i Jehovah aloaky ny vavanao. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "I Kings 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:1", "text": " Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin\u2019 i Elia ny tenin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin\u2019 i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin\u2019 ny tany Aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:2", "text": "Dia niainga Elia hiseho amin\u2019 i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:3", "text": "Ary Ahaba niantso an\u2019 i Obadia, izay lehiben\u2019 ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an\u2019 i Jehovah tokoa, " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:4", "text": "ka nony naringan\u2019 i Jezebela ny mpaminanin\u2019 i Jehovah, dia nalain\u2019 i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo). " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:5", "text": "Ary hoy Ahaba tamin\u2019 i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin\u2019 ny loharano rehetra sy hatrany amin\u2019 ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:6", "text": "Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin\u2019 ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin\u2019 ny lalana iray. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:7", "text": "Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko? " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:8", "text": "Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin\u2019 ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:9", "text": "Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Ahaba hamonoany ahy? " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:10", "text": "Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan\u2019 ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:11", "text": "Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin\u2019 ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:12", "text": "Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin\u2019 ny Fanahin\u2019 i Jehovah any amin\u2019 izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin\u2019 i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an\u2019 i Jehovah hatry ny fony mbola kely. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:13", "text": "Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin\u2019 ilay namonoan\u2019 i Jezebela ny mpaminanin\u2019 i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin\u2019 i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo? " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:14", "text": "Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin\u2019 ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:15", "text": "Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:16", "text": "Dia lasa Obadia nitsena an\u2019 i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an\u2019 i Elia. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:17", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga et\u1ef3 ianao, ry ilay mampidi-doza amin\u2019 ny Isiraely! " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:18", "text": "Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin\u2019 ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin\u2019 ny rainao ihany tamin\u2019 ny nandavanareo ny didin\u2019 i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:19", "text": "Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin\u2019 i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin\u2019 ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin\u2019 ny latabatr\u2019 i Jezebela. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:20", "text": "Dia naniraka tany amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:21", "text": "Ary dia nankeo amin\u2019 ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:22", "text": "Dia hoy Elia tamin\u2019 ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin\u2019 ny mpaminanin\u2019 i Jehovah; fa ny mpaminanin\u2019 i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:23", "text": "Koa aoka ireo no hanome vantotr\u2019 ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin\u2019 ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin\u2019 ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao. " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:24", "text": "Ary miantsoa ny anaran\u2019 ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran\u2019 i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin\u2019 ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:25", "text": "Ary hoy Elia tamin\u2019 ireo mpaminanin\u2019 i Bala: Mifidiana vantotr\u2019 ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran\u2019 ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao. " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:26", "text": "Dia naka ny vantotr\u2019 ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran\u2019 i Bala hatramin\u2019 ny maraina ka mandra-pitataovovonan\u2019 ny andro izy nanao hoe: Ry Bala \u00f4, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin\u2019 ny alitara izay nataony izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:27", "text": "Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina. " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:28", "text": "Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin\u2019 ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-dr\u00e0 tamin\u2019 ny tenany. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:29", "text": "Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin\u2019 ny fotoan\u2019 ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:30", "text": "Ary hoy Elia tamin\u2019 ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran\u2019 i Jehovah izay efa rava " }, { "verse": 31, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:31", "text": "ka naka vato roa ambin\u2019 ny folo, araka ny isan\u2019 ny firenen\u2019 ny zanak\u2019 i Jakoba, izay nihavian\u2019 ilay tenin\u2019 i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao; " }, { "verse": 32, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:32", "text": "ary izany vato izany dia nataony alitara ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan\u2019 ny famarana. " }, { "verse": 33, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:33", "text": "Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr\u2019 ombilahy ka nametraka azy teo ambonin\u2019 ny kitay hazo, " }, { "verse": 34, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:34", "text": "dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin\u2019 ny fanatitra dorana sy amin\u2019 ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa. " }, { "verse": 35, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:35", "text": "Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely. " }, { "verse": 36, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:36", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny fotoan\u2019 ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah \u00f4. Andriamanitr\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin\u2019 ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. " }, { "verse": 37, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:37", "text": "Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah \u00f4, mba hahafantaran\u2019 ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray. " }, { "verse": 38, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:38", "text": "Dia latsaka ny afon\u2019 i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin\u2019 ny hady kely. " }, { "verse": 39, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:39", "text": "Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra. " }, { "verse": 40, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:40", "text": "Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin\u2019 i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin\u2019 ny olona izy; ary nentin\u2019 i Elia ho eo amin\u2019 ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo. " }, { "verse": 41, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:41", "text": "Ary hoy Elia tamin\u2019 i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be. " }, { "verse": 42, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:42", "text": "Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon\u2019 i Karmela, dia niankohoka tamin\u2019 ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan\u2019 ny lohaliny " }, { "verse": 43, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:43", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito. " }, { "verse": 44, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:44", "text": "Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny t\u00e0nan\u2019 olona miakatra avy eny amin\u2019 ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin\u2019 i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka mid\u00ecna, fandrao voasakan\u2019 ny ranonorana ianao. " }, { "verse": 45, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:45", "text": "Ary vetivety dia maintin\u2019 ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin\u2019 ny kalesy ka nankany Jezirela. " }, { "verse": 46, "chapter": 18, "name": "I Kings 18:46", "text": "Ary ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah dia tao amin\u2019 i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "I Kings 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:1", "text": " Dia nolazain\u2019 i Ahaba tamin\u2019 i Jezebela izay rehetra nataon\u2019 i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:2", "text": "Ary Jezebela naniraka olona tany amin\u2019 i Elia hanao hoe: Hataon\u2019 ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireny ny ainao raha maraina toy izao. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:3", "text": "Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:4", "text": "Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin\u2019 ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah \u00f4, fa tsy tsara noho ny razako aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:5", "text": "Ary raha nandry natory teo ambanin\u2019 ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka hom\u00e0na. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:6", "text": "Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan\u2019 ny lohany nisy mofo voaendy tamin\u2019 ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:7", "text": "Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka hom\u00e0na, fa lavitra loatra ny halehanao. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:8", "text": "Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin\u2019 ny tanjaka azony tamin\u2019 izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:9", "text": "Ary niditra tao anatin\u2019 ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin\u2019 i Jehovah nanao hoe: Manao inona at\u1ef3 ianao, ry Elia? " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:10", "text": "Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak\u2019 Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin\u2019 ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:11", "text": "Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin\u2019 ny tendrombohitra eo anatrehan\u2019 i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan\u2019 i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin\u2019 ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin\u2019 ny horohoron-tany; " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:12", "text": "ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin\u2019 ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy. " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:13", "text": "Ary raha ren\u2019 i Elia izany, dia nosaronany ny kap\u00f4tiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona at\u1ef3 ianao ry Elia? " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:14", "text": "Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak\u2019 Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin\u2019 ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:15", "text": "Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin\u2019 ny nalehanao ho any amin\u2019 ny efitr\u2019 i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan\u2019 i Syria; " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:16", "text": "Ary Jeho, zanak\u2019 i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely; ary Elisa, zanak\u2019 i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:17", "text": "Ary izay afa-mandositra ny sabatr\u2019 i Hazaela dia hovonoin\u2019 i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr\u2019 i Jeho kosa dia hovonoin\u2019 i Elisa. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:18", "text": "Nefa hamela fito arivo ao amin\u2019 ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin\u2019 i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:19", "text": "Ary niala teo Elia ka nahita an\u2019 i Elisa, zanak\u2019 i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin\u2019 ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kap\u00f4tiny hanarona azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:20", "text": "Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an\u2019 i Elia ary niteny hoe: Mas\u00ecna ianao, avelao aho aloha hanoroka an\u2019 ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho? " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "I Kings 19:21", "text": "Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin\u2019 ny hazo fias\u00e0n\u2019 ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an\u2019 i Elia, dia nanompo azy. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "I Kings 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:1", "text": " Ary Beni-hadada, mpanjakan\u2019 i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin\u2019 ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an\u2019 i Samada ary namely azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:2", "text": "Ary nandefa iraka ho any amin\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, tany an-tan\u00e0na izy " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:3", "text": "hanao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:4", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko \u00f4: anao aho sy izay rehetra ananako. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:5", "text": "Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin\u2019 i Beni-hadada: Naniraka tat\u1ef3 aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy; " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:6", "text": "koa raha maniraka ny mpanompoko ho at\u1ef3 aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon\u2019 ny mpanomponao, dia horaisin\u2019 ny t\u00e0nany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:7", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin\u2019 ny tany ka nanao hoe: Mas\u00ecna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tat\u1ef3 amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin\u2019 ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:8", "text": "Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:9", "text": "Ka dia hoy Ahaba tamin\u2019 ny irak\u2019 i Beni-hadada. Lazao amin\u2019 ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin\u2019 ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin\u2019 i Beni-hadada indray; " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:10", "text": "ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon\u2019 ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-t\u00e0nan-ila akory ny vovok\u2019 i Samaria amin\u2019 ny isan-olona manaraka ahy. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:11", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misik\u00ecna tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:12", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin\u2019 ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tan\u00e0na izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:13", "text": "Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:14", "text": "Ary hoy Ahaba: Amin\u2019 iza? Ary hoy izy: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Amin\u2019 ny zatovon\u2019 ny komandin\u2019 ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha? Hianao ihany, hoy izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:15", "text": "Ary nandamina ny zatovon\u2019 ny komandin\u2019 ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:16", "text": "Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:17", "text": "Ary ny zatovon\u2019 ny komandin\u2019 ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:18", "text": "Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:19", "text": "Dia nivoaka avy tao an-tan\u00e0na ireo zatovon\u2019 ny komandin\u2019 ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:20", "text": "Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin\u2019 ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan\u2019 i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin\u2019 ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:21", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:22", "text": "Ary ilay mpaminany nankany amin\u2019 ny i mpanjakan\u2019 ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan\u2019 i Syria hiady aminao. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:23", "text": "Ary hoy ny mpanompon\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr\u2019 izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.! " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:24", "text": "Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin\u2019 ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy; " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:25", "text": "ary ianao kosa dia mak\u00e0 miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon\u2019 ny soavaly sy kalesy ho solon\u2019 ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin\u2019 ireo izy, ka dia nataony izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:26", "text": "Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 27, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:27", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak\u2019 Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany. " }, { "verse": 28, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:28", "text": "Ary nanatona ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra ka nilaza tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. " }, { "verse": 29, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:29", "text": "Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin\u2019 ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak\u2019 Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin\u2019 ny Syriana indray andro. " }, { "verse": 30, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:30", "text": "Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tan\u00e0na Afeka; nefa nianjeran\u2019 ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tan\u00e0na ka niditra tao amin\u2019 ny efi-trano anatiny. " }, { "verse": 31, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:31", "text": "Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan\u2019 ny taranak\u2019 Isiraely. Koa mas\u00ecna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. " }, { "verse": 32, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:32", "text": "Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin\u2019 i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy. " }, { "verse": 33, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:33", "text": "Ary nataon\u2019 ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin\u2019 ny kalesiny. " }, { "verse": 34, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:34", "text": "Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tan\u00e0na izay nalain\u2019 ny raiko tamin\u2019 ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon\u2019 ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin\u2019 izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy. " }, { "verse": 35, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:35", "text": "Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin\u2019 ny namany araka ny tenin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Mas\u00ecna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy. " }, { "verse": 36, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:36", "text": "Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan\u2019 ny liona ka novonoiny. " }, { "verse": 37, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:37", "text": "Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Mas\u00ecna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra. " }, { "verse": 38, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:38", "text": "Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin\u2019 ny handriny tsy hahafantarany azy. " }, { "verse": 39, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:39", "text": "Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin\u2019 ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tah\u00ecny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao. " }, { "verse": 40, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:40", "text": "Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany. " }, { "verse": 41, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:41", "text": "Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin\u2019 ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely fa isan\u2019 ny mpaminany izy. " }, { "verse": 42, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:42", "text": "Dia hoy izy taminy: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony. " }, { "verse": 43, "chapter": 20, "name": "I Kings 20:43", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "I Kings 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:1", "text": " Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin\u2019 ny lapan\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 i Samaria. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:2", "text": "Ary Ahaba niteny tamin\u2019 i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin\u2019 ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:3", "text": "Fa hoy Nabota tamin\u2019 i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan\u2019 i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:4", "text": "Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain\u2019 i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:5", "text": "Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao? " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:6", "text": "Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin\u2019 i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:7", "text": "Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin\u2019 ny Isiraely izao? Miarena, mihin\u00e0na hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok\u2019 i Nabota Jezirelita. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:8", "text": "Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Ahaba, ka notombohiny tamin\u2019 ny fanombohan-kasen\u2019 andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin\u2019 ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tan\u00e0nany, dia ireo niara-nitoetra tamin\u2019 i Nabota. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:9", "text": "Ary izao no nosoratany tao amin\u2019 ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan\u2019 ny olona Nabota. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:10", "text": "Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an\u2019 Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:11", "text": "Ary ny olona tao an-tan\u00e0nany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan\u2019 i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin\u2019 ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:12", "text": "Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an\u2019 i Nabota teo anatrehan\u2019 ny olona. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:13", "text": "Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an\u2019 i Nabota teo anatrehan\u2019 ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an\u2019 Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin\u2019 ny olona nivoaka teny ivelan\u2019 ny tan\u00e0na Nabota, dia notorahany vato ka maty. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:14", "text": "Dia naniraka tany amin\u2019 i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:15", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin\u2019 i Ahaba: Mitsang\u00e0na, ka alao ho anao ny tanim-boalobok\u2019 i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:16", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin\u2019 ny tanim-boalobok\u2019 i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:17", "text": "Ary ny tenin\u2019 i Jehovah tonga tamin\u2019 i Elia Tisbita ka nanao hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:18", "text": "Miaing\u00e0, ka mid\u00ecna hihaona amin\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin\u2019 ny tanim-boalobok\u2019 i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:19", "text": "Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain\u2019 i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Ao amin\u2019 ny tany izay nilelafan\u2019 ny alika ny ran\u2019 i Nabota no hilelafan\u2019 ny alika ny r\u00e0nao, dia ny r\u00e0nao tokoa. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:20", "text": "Ary hoy Ahaba tamin\u2019 i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:21", "text": "Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:22", "text": "Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, sy tahaka ny taranak\u2019 i Basa, zanak\u2019 i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely. " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:23", "text": "Ary ny amin\u2019 i Jezebela koa dia nolazain\u2019 i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an\u2019 i Jezebela eny ivelan\u2019 ny m\u00e0ndan\u2019 i Jezirela. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:24", "text": "Izay tamingan\u2019 i Ahaba maty ao an-tan\u00e0na dia hohanin\u2019 ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin\u2019 ny voro-manidina. " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:25", "text": "Fa tsy nisy tahaka an\u2019 i Ahaba, izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah, satria nampirisihin\u2019 i Jezebela vadiny izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:26", "text": "Ary izy nanao vetaveta loatra tamin\u2019 ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon\u2019 ny Amorita, izay noroahin\u2019 i Jehovah teo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 27, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:27", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana. " }, { "verse": 28, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:28", "text": "Ary ny tenin\u2019 i Jehovah tonga tamin\u2019 i Elia Tisbita ka nanao hoe: " }, { "verse": 29, "chapter": 21, "name": "I Kings 21:29", "text": "Hitanao va ny nanetren\u2019 i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy, dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin\u2019 ny androny; fa any amin\u2019 ny andron\u2019 ny zanany vao hahatonga loza amin\u2019 ny taranany Aho. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "I Kings 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:1", "text": " Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:2", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, ho any amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:3", "text": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria? " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:4", "text": "Ary hoy koa izy tamin\u2019 i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an\u2019 i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:5", "text": "Ary hoy Josafata tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely: Mas\u00ecna ianao, anontanio aloha ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:6", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an\u2019 i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:7", "text": "Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin\u2019 i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika? " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:8", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak\u2019 i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin\u2019 i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:9", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak\u2019 i Jimla. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:10", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, samy nipetraka teo amin\u2019 ny seza fiandrianany avy teo amin\u2019 ny famoloana eo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:11", "text": "Ary Zedekia, zanak\u2019 i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:12", "text": "Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:13", "text": "Ary ilay iraka izay nandeha naka an\u2019 i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an\u2019 ny mpanjaka; mas\u00ecna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo, ka mba mitenena soa koa. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:14", "text": "Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain\u2019 i Jehovah amiko ihany no hambarako. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:15", "text": "Dia nankany amin\u2019 ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an\u2019 i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr\u2019 i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:16", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah afa-tsy izay marina ihany " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:17", "text": "Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy. " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:18", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany? " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:19", "text": "Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin\u2019 i Jehovah: Nahita an\u2019 i Jehovah nipetraka teo amin\u2019 ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin\u2019 ny ankavanany sy teo amin\u2019 ny ankaviany. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:20", "text": "Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an\u2019 i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:21", "text": "Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan\u2019 i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin\u2019 inona anefa? " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:22", "text": "Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan\u2019 ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:23", "text": "Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan\u2019 ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao. " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:24", "text": "Fa Zedekia, zanak\u2019 i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak\u2019 i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan\u2019 ny Fanahin\u2019 i Jehovah tamiko hiteny aminao? " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:25", "text": "Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin\u2019 ny andro hidiranao ao amin\u2019 ny efi-trano anatiny hierenao. " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:26", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin\u2019 i Amona, komandin\u2019 ny tan\u00e0na, sy ho any amin\u2019 i Joasy, zanaky ny mpanjaka, " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:27", "text": "ka lazao hoe: Izao no lazain\u2019 ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:28", "text": "Fa hoy Mikaia: Raha t\u00e0hiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin\u2019 i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra. " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:29", "text": "Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 30, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:30", "text": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin\u2019 ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin\u2019 ny ady. " }, { "verse": 31, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:31", "text": "Fa ny mpanjakan\u2019 i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin\u2019 ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin\u2019 ny kely na amin\u2019 ny lehibe, afa-tsy amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely ihany. " }, { "verse": 32, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:32", "text": "Ary nony nahita an\u2019 i Josafata ireo komandin\u2019 ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan\u2019 ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata. " }, { "verse": 33, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:33", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ireo komandin\u2019 ny kalesy fa tsy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo. " }, { "verse": 34, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:34", "text": "Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsip\u00ecka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely teo anelanelan\u2019 ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin\u2019 ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin\u2019 ny ady aho, fa voa. " }, { "verse": 35, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:35", "text": "Ary nihamafy ny ady tamin\u2019 izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin\u2019 ny kalesiny tandrifin\u2019 ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny r\u00e0 nandeha avy teo amin\u2019 ny efa voa ho ao anatin\u2019 ny kalesy. " }, { "verse": 36, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:36", "text": "Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran\u2019 ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tan\u00e0nany avy sy any amin\u2019 ny taniny avy! " }, { "verse": 37, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:37", "text": "Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao. " }, { "verse": 38, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:38", "text": "Ary nony nosasana teo am-parihin\u2019 i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny r\u00e0ny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 39, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:39", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Ahaba sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tan\u00e0na rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 40, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:40", "text": "Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 41, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:41", "text": " Ary Josafata, zanak\u2019 i Asa, vao nanjaka tamin\u2019 ny Joda tamin\u2019 ny taona fahefatra nanjakan\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 42, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:42", "text": "Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin\u2019 i Sily. " }, { "verse": 43, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:43", "text": "Ary nandeha tamin\u2019 ny lalana rehetra izay nalehan\u2019 i Asa rainy izy ka tsy niala tamin\u2019 izany, fa nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 44, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:44", "text": "kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo ihany. " }, { "verse": 45, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:45", "text": "Ary Josafata nanao fihavanana tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 46, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:46", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Josafata sisa sy ny heriny mbamin\u2019 ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 47, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:47", "text": "Ary ny sisa amin\u2019 ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin\u2019 ny andron\u2019 i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 48, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:48", "text": "Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana. " }, { "verse": 49, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:49", "text": "Ary Josafata nanao sambon\u2019 i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera. " }, { "verse": 50, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:50", "text": "Dia hoy Ahazia, zanak\u2019 i Ahaba, tamin\u2019 i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin\u2019 ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata. " }, { "verse": 51, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:51", "text": "Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 52, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:52", "text": "Ahazia, zanak\u2019 i Ahaba, vao nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely tao Samaria tamin\u2019 ny taona fahafito ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 53, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:53", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny rainy sy ny reniny ary tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay nampanota ny Isiraely; " }, { "verse": 54, "chapter": 22, "name": "I Kings 22:54", "text": "ary nanompo an\u2019 i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy. " } ] } ] }, { "name": "II Kings", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "II Kings 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:1", "text": " Ary Moaba niodina tamin\u2019 ny Isiraely, rehefa maty Ahaba. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:2", "text": "Ary Ahazia nianjera avy teo amin\u2019 ny makarakara teo amin\u2019 ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin\u2019 i Bala-zeboba, andriamanitr\u2019 i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin\u2019 ity aretiko ity, na tsia. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:3", "text": "Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah niteny tamin\u2019 i Elia Tisbira hoe: Miaing\u00e0, miakara hihaona amin\u2019 ny iraky ny mpanjakan\u2019 i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin\u2019 ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin\u2019 i Bala-zeboba, andriamanitr\u2019 i Ekrona, ianareo? " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:4", "text": "Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin\u2019 ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:5", "text": "Dia niverina tany amin\u2019 ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo? " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:6", "text": "Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin\u2019 ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin\u2019 ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin\u2019 i Bala-zeboba, andriamanitr\u2019 i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin\u2019 ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:7", "text": "Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo? " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:8", "text": "Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin\u2019 ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:9", "text": "Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin\u2019 ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon\u2019 ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin\u2019 Andriamanitra \u00f4, mid\u00ecna ianao, antsoin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:10", "text": "Fa Elia namaly ka nanao tamin\u2019 ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin\u2019 Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin\u2019 ny dimam-polo fehiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:11", "text": "Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin\u2019 ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin\u2019 Andriamanitra \u00f4, mid\u00ecna faingana ianao, antsoin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:12", "text": "Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin\u2019 Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin\u2019 ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon\u2019 Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin\u2019 ny dimam-polo fehiny. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:13", "text": "Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin\u2019 ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan\u2019 i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Mas\u00ecna ianao, ry lehilahin\u2019 Andriamanitra \u00f4, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain\u2019 ireto mpanomponao dimam-polo ireto. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:14", "text": "Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin\u2019 ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:15", "text": "Ary hoy Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Elia: Mid\u00ecna ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:16", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny mpanjaka: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin\u2019 i Bala-zeboba, andriamanitr\u2019 i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin\u2019 ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin\u2019 ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:17", "text": "Ka dia maty izy araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nolazain\u2019 i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin\u2019 ny taona faharoa nanjakan\u2019 i Jehorama, zanak\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "II Kings 1:18", "text": "Ary ny asan\u2019 i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " } ] }, { "chapter": 2, "name": "II Kings 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:1", "text": " Ary nony efa hampakarin\u2019 i Jehovah ho any an-danitra amin\u2019 ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:2", "text": "Ary hoy Elia tamin\u2019 i Elisa: Mas\u00ecna ianao, mijan\u00f2na eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:3", "text": "Ary nivoaka nankany amin\u2019 i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan\u2019 i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin\u2019 ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mang\u00ecna ianareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:4", "text": "Ary hoy Elia taminy: Mas\u00ecna ianao, ry Elisa, mijan\u00f2na eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:5", "text": "Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an\u2019 i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan\u2019 i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin\u2019 ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mang\u00ecna ianareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:6", "text": "Ary hoy Elia taminy: Mas\u00ecna ianao, mijan\u00f2na eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:7", "text": "Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:8", "text": "Ary Elia nandray ny kap\u00f4tiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin\u2019 ny tany maina izy roa lahy. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:9", "text": "Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin\u2019 i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Mas\u00ecna ianao, aoka ny anjaran-droa amin\u2019 ny fanahinao mba ho ahy. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:10", "text": "Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:11", "text": "Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin\u2019 ny tafio-drivotra ho any an-danitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:12", "text": "Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky \u00f4, ry ikaky \u00f4, eny kalesin\u2019 ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:13", "text": "Ary nalainy ny kap\u00f4tin\u2019 i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron\u2019 i Jordana. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:14", "text": "Dia noraisin\u2019 i Elisa ny kap\u00f4tin\u2019 i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:15", "text": " Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin\u2019 i Elia efa mipetraka amin\u2019 i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehany. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:16", "text": "Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin\u2019 ny mpanomponao; mas\u00ecna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain\u2019 ny Fanahin\u2019 i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:17", "text": "Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:18", "text": "Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha? " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:19", "text": "Ary hoy ny mponina tao amin\u2019 izany tan\u00e0na izany tamin\u2019 i Elisa: Mas\u00ecna ianao, indro, tsara toerana ity tan\u00e0na ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon\u2019 anaka. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:20", "text": "Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:21", "text": "Ary nivoaka nankany amin\u2019 ilay niandohan\u2019 ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan\u2019 anaka intsony hiseho eto. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:22", "text": "Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon\u2019 i Elisa. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:23", "text": "Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tan\u00e0na ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola! " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:24", "text": "Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an\u2019 ala namiravira roa amby efa-polo tamin\u2019 ireo ankizilahy madinika ireo. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "II Kings 2:25", "text": "Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "II Kings 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:1", "text": " Ary Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, vao nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely tao Samaria tamin\u2019 ny fahavalo ambin\u2019 ny folo taona nanjakan\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, ary nanjaka roa ambin\u2019 ny folo taona izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:2", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton\u2019 i Bala izay nataon\u2019 drainy izy; " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:3", "text": "nefa izy nikikitra tamin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin\u2019 izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:4", "text": "Ary Mesa, mpanjakan\u2019 i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy, dia zanak\u2019 ondry iray hetsy sy ny volon\u2019 ondrilahy iray hetsy. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:5", "text": "Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely ny mpanjakan\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:6", "text": "Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin\u2019 izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:7", "text": "Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan\u2019 i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:8", "text": "Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr\u2019 i Edoma. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:9", "text": "Dia nandeha ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy ny mpanjakan\u2019 ny Joda ary ny mpanjakan\u2019 i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an\u2019 ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:10", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-t\u00e0nan\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:11", "text": "Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin\u2019 i Jehovah va eto hanontaniantsika amin\u2019 i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak\u2019 i Safata, ilay mpanondra-drano ny t\u00e0nan\u2019 i Elia. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:12", "text": "Ary hoy Josafata: Ao amin\u2019 izy io tokoa ny tenin\u2019 i Jehovah. Dia nidina nankany amin\u2019 i Elisa ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan\u2019 i Edoma. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:13", "text": "Ary hoy Elisa tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin\u2019 ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-t\u00e0nan\u2019 i Moaba. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:14", "text": "Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:15", "text": "Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an\u2019 i Elisa ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:16", "text": "Ary hoy Elisa: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:17", "text": "Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:18", "text": "Ary ho zavatra kely ihany eo imason\u2019 i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:19", "text": "Ary handrava ny tan\u00e0na mimanda rehetra sy ny tan\u00e0na soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin\u2019 ny tany soa rehetra ho fanimbana azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:20", "text": "Ary nony maraina, tokony ho tamin\u2019 ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin\u2019 ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:21", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin\u2019 izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin\u2019 ny sisin-taniny. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:22", "text": "Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin\u2019 ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny r\u00e0. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:23", "text": "Dia hoy izy: R\u00e0 io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin\u2019 izao, ry Moaba! " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:24", "text": "Kanjo nony efa tonga teo an-tobin\u2019 ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Moabita ka mbola namely azy ihany. " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:25", "text": "Dia nandrava ny tan\u00e0na izy ary samy nanipy vato tamin\u2019 ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin\u2019 ny mpandefa antsamotady ka nasiany. " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:26", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Edoma; nefa tsy afaka izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 3, "name": "II Kings 3:27", "text": "Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin\u2019 ny manda. Dia niharan\u2019 ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin\u2019 ny taniny izy. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "II Kings 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:1", "text": " Ary nisy vehivavy anankiray, vadin\u2019 ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin\u2019 i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an\u2019 i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:2", "text": "Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:3", "text": "Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin\u2019 ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:4", "text": "Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin\u2019 izany vilany rehetra izany, dia atok\u00e0ny izay feno. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:5", "text": "Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin\u2019 izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:6", "text": "Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin\u2019 ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:7", "text": "Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan\u2019 olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:8", "text": " Ary tamin\u2019 ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:9", "text": "Ary hoy ravehivavy tamin\u2019 ny lahy; Indro, fantatro fa mas\u00ecna sady lehilahin\u2019 Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:10", "text": "Mas\u00ecna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:11", "text": "Ary tamin\u2019 ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin\u2019 ilay efi-trano ambony ary nandry tao. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:12", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:13", "text": "Ary hoy Elisa tamin\u2019 i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin\u2019 izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin\u2019 ny mpanjaka va ianao, na amin\u2019 ny komandin\u2019 ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra at\u1ef3 amin\u2019 ny fireneko aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:14", "text": "Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy? " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:15", "text": "Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:16", "text": "Dia hoy izy: Raha mby amin\u2019 ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin\u2019 Andriamanitra, aza mandainga amin\u2019 ny ankizivavinao. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:17", "text": "Koa nefa nanan\u2019 anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin\u2019 ilay fotoana nolazain\u2019 i Elisa taminy. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:18", "text": "Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin\u2019 ny rainy tany amin\u2019 ny mpijinja vary izy indray andro, " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:19", "text": "Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin\u2019 ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:20", "text": "Dia notrotroin\u2019 ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan\u2019 ny andro, dia maty. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:21", "text": "Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin\u2019 ny fandrian\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:22", "text": "Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Mas\u00ecna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra aho, dia hiverina indray. " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:23", "text": "Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza? " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:24", "text": "Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin\u2019 ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin\u2019 ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao. " }, { "verse": 25, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:25", "text": "Dia lasa ravehivavy nankany amin\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra avy er\u1ef3 izy, dia hoy izy tamin\u2019 i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry; " }, { "verse": 26, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:26", "text": "mas\u00ecna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany. " }, { "verse": 27, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:27", "text": "Ary rehefa tonga tany amin\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin\u2019 Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko. " }, { "verse": 28, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:28", "text": "Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy? " }, { "verse": 29, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:29", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 i Gehazy: Misik\u00ecna, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin\u2019 olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin\u2019 ny tavan\u2019 ny zazalahy ny tehiko. " }, { "verse": 30, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:30", "text": "Ary hoy ny renin\u2019 ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy. " }, { "verse": 31, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:31", "text": "Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin\u2019 ny tavan\u2019 ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy. " }, { "verse": 32, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:32", "text": "Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany. " }, { "verse": 33, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:33", "text": "Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 34, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:34", "text": "Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin\u2019 ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin\u2019 ny vavany, ary ny masony tamin\u2019 ny masony, ary ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny t\u00e0nany, ka dia nafana ny tenan\u2019 ny zazalahy. " }, { "verse": 35, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:35", "text": "Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. " }, { "verse": 36, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:36", "text": "Ary Elisa niantso an\u2019 i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao. " }, { "verse": 37, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:37", "text": "Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin\u2019 ny tongony sady niankohoka tamin\u2019 ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka. " }, { "verse": 38, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:38", "text": " Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin\u2019 ny tany; ary ny zanakalahin\u2019 ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin\u2019 ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny mpaminany. " }, { "verse": 39, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:39", "text": "Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin\u2019 io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin\u2019 ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra. " }, { "verse": 40, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:40", "text": "Ka dia noloarany hohanin\u2019 ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin\u2019 Andriamanitra \u00f4, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina. " }, { "verse": 41, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:41", "text": "Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin\u2019 izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany. " }, { "verse": 42, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:42", "text": "Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin\u2019 ny voaloham-bokatra ho an\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny. " }, { "verse": 43, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:43", "text": "Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan\u2019 ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain\u2019 i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany. " }, { "verse": 44, "chapter": 4, "name": "II Kings 4:44", "text": "Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "II Kings 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:1", "text": " Ary Nam\u00e0na, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan\u2019 ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen\u2019 i Jehovah an\u2019 i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:2", "text": "Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely; ary nanompo ny vadin\u2019 i Namana io. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:3", "text": "Ary hoy io tamin\u2019 ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin\u2019 ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin\u2019 ny habokany izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:4", "text": "Ary niditra Namana ka nilaza tamin\u2019 ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain\u2019 ilay zazavavy izay avy tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:5", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-t\u00e0nany. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:6", "text": "Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga at\u1ef3 aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an\u2019 i Nam\u00e0na mpanompoko aho hankat\u1ef3 aminao, koa sitrano amin\u2019 ny habokany izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:7", "text": "Ary nony efa novakin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan\u2019 ilehiny at\u1ef3 amiko mba hahasitrana olona amin\u2019 ny habokany? Koa mas\u00ecna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:8", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Elisa, lehilahin\u2019 Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely, dia naniraka tany amin\u2019 ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankat\u1ef3 amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:9", "text": "Ary dia nandeha Nam\u00e0na nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran\u2019 ny tranon\u2019 i Elisa. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:10", "text": "Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:11", "text": "Fa tezitra Nam\u00e0na, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankat\u1ef3 amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny t\u00e0nany eo ambonin\u2019 ny aretina ka hahasitrana ny boka. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:12", "text": "Tsy tsara noho ny ranon\u2019 ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin\u2019 i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin\u2019 ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:13", "text": "Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky \u00f4, na dia zavatra lehibe aza no nasain\u2019 ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao? " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:14", "text": "Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:15", "text": "Ary niverina nankao amin\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra izy mbamin\u2019 izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin\u2019 ny tany rehetra, afa-tsy ato amin\u2019 ny Isiraely ihany koa mas\u00ecna ianao, raiso ny saotra aterin\u2019 ny mpanomponao. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:16", "text": "Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:17", "text": "Ary hoy Namana: Mas\u00ecna ianao, moa tsy homena tany zakan\u2019 ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an\u2019 ny andriamani-kafa, fa ho an\u2019 i Jehovah ihany. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:18", "text": "Nefa ny amin\u2019 izao zavatra izao dia aoka havelan\u2019 i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin\u2019 ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin\u2019 izany zavatra izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:19", "text": "Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:20", "text": "Fa hoy Gehazy, zatovon\u2019 i Elisa, lehilahin\u2019 Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Nam\u00e0na Syriana ity ka tsy nandray tamin\u2019 ny t\u00e0nany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:21", "text": "Ka dia lasa Gehazy nanaraka an\u2019 i Nam\u00e0na Ary nony tazan\u2019 i Nam\u00e0na avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin\u2019 ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va? " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:22", "text": "Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin\u2019 ny zanaky ny mpaminany tonga at\u1ef3 amiko avy any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima; koa mas\u00ecna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:23", "text": "Ary hoy Nam\u00e0na: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin\u2019 ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo. " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:24", "text": "Fa nony tonga tao amin\u2019 ny havoana izy, dia nalainy teny an-t\u00e0nany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:25", "text": "Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan\u2019 ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:26", "text": "Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin\u2019 ilay nihodina niala tamin\u2019 ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin\u2019 oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman\u2019 osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao? " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "II Kings 5:27", "text": "Koa ny habokan\u2019 i Nam\u00e0na dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "II Kings 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:1", "text": " Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin\u2019 i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:2", "text": "Mas\u00ecna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:3", "text": "Fa hoy ny anankiray: Mas\u00ecna ianao, aoka mba hiaraka amin\u2019 ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:4", "text": "Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:5", "text": "Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:6", "text": "Ary hoy ny lehilahin\u2019 Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:7", "text": "Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny t\u00e0nany, ka noraisiny. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:8", "text": " Ary ny mpanjakan\u2019 i Syria niady tamin\u2019 ny Isiraely ka nilaza tamin\u2019 ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:9", "text": "Ary ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra kosa naniraka tany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan\u2019 ny Syriana. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:10", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely naniraka tany amin\u2019 izay nolazain\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:11", "text": "Dia sosotra indrindra ny fon\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely? " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:12", "text": "Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin\u2019 ny Isiraely ihany no milaza amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin\u2019 ny trano fandrianao aza. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:13", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:14", "text": "Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:15", "text": "Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tan\u00e0na. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika? " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:16", "text": "Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:17", "text": "Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah \u00f4, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason\u2019 ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an\u2019 i Elisa. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:18", "text": "Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin\u2019 i Elisa. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:19", "text": "Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tan\u00e0na; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin\u2019 ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:20", "text": "Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah \u00f4, ampahirato ny mason\u2019 ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan\u2019 i Samaria izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:21", "text": "Ary nony nahita azy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely, dia hoy izy tamin\u2019 i Elisa: Ry ikaky \u00f4, hasiako va izy? Hasiako va izy? " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:22", "text": "Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin\u2019 ny sabatrao sy ny tsip\u00eckanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin\u2019 ny tompony. " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:23", "text": "Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin\u2019 ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely intsony ny mpitoha adin\u2019 i Syria. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:24", "text": " Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan\u2019 i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an\u2019 i Samaria. " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:25", "text": "Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan\u2019 ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy. " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:26", "text": "Ary raha nitsangantsangana teny ambonin\u2019 ny manda ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko. " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:27", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen\u2019 i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin\u2019 ny famoloana va, sa amin\u2019 ny famiazam-boaloboka? " }, { "verse": 28, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:28", "text": "Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso. " }, { "verse": 29, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:29", "text": "Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany. " }, { "verse": 30, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:30", "text": "Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin\u2019 ny manda izy, ka hitan\u2019 ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra. " }, { "verse": 31, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:31", "text": "Dia hoy izy: Hataon\u2019 Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan\u2019 i Elisa, zanak\u2019 i Safata. " }, { "verse": 32, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:32", "text": "Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin\u2019 i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin\u2019 ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan\u2019 ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon\u2019 ny tongotry ny tompony? " }, { "verse": 33, "chapter": 6, "name": "II Kings 6:33", "text": "Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin\u2019 i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an\u2019 i Jehovah? " } ] }, { "chapter": 7, "name": "II Kings 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:1", "text": "Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin\u2019 i Jehovah ianareo: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin\u2019 ny koba tsara toto eran\u2019 ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin\u2019 ny vary hordea indroan\u2019 ny famarana ao am-bavahadin\u2019 i Samaria. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:2", "text": "Fa namaly ny lehilahin\u2019 Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan\u2019 ny mpanjaka tamin\u2019 ny t\u00e0nany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin\u2019 ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan\u2019 ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:3", "text": "Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan\u2019 ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika? " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:4", "text": "Raha hoy isika: Hankato an-tan\u00e0na isika, dia misy mosary ao an-tan\u00e0na, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin\u2019 ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:5", "text": "Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin\u2019 ny tobin\u2019 ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin\u2019 ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:6", "text": "Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan\u2019 ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan\u2019 ny soavaly, dia ny firodondrodon\u2019 ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan\u2019 ny Hetita sy ny mpanjakan\u2019 ny Egyptiana hiady amintsika. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:7", "text": "Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin\u2019 iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:8", "text": "Ary rehefa tonga teny an-tsisin\u2019 ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin\u2019 ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin\u2019 ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:9", "text": "Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mang\u00ecna isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain\u2019 ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:10", "text": "Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tan\u00e0na ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin\u2019 ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon\u2019 olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:11", "text": "Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:12", "text": "Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin\u2019 ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon\u2019 ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin\u2019 ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tan\u00e0na izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:13", "text": "Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin\u2019 izay sisa ato an-tan\u00e0na (indro toy ny hamaroan\u2019 ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan\u2019 ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:14", "text": "Dia nalainy ny soavalin\u2019 ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan\u2019 ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:15", "text": "Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian\u2019 ny Syriana, raha nandositra tamin\u2019 ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:16", "text": "Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin\u2019 ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran\u2019 ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan\u2019 ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:17", "text": "Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan\u2019 ny mpanjaka tamin\u2019 ny t\u00e0nany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:18", "text": "Koa dia tanteraka ilay teny nolazain\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin\u2019 i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin\u2019 ny vary hordea indroan\u2019 ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin\u2019 ny koba tsara toto eran\u2019 ny famarana; " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:19", "text": "ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin\u2019 ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan\u2019 ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "II Kings 7:20", "text": "Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "II Kings 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:1", "text": " Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin\u2019 ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaing\u00e0, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin\u2019 izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:2", "text": "Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:3", "text": "Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin\u2019 ny mpanjaka izy ny amin\u2019 ny tranony sy ny taniny. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:4", "text": "Ary ny mpanjaka niteny tamin\u2019 i Gehazy, zatovon\u2019 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra, hoe: Mas\u00ecna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon\u2019 i Elisa. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:5", "text": "Ary raha mbola nilazalaza tamin\u2019 ny mpanjaka ny amin\u2019 ny nameloman\u2019 i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin\u2019 ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin\u2019 ny mpanjaka ny amin\u2019 ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko \u00f4, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin\u2019 i Elisa. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:6", "text": "Ary nony nanontanian\u2019 ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren\u2019 ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin\u2019 ny andro nialany tamin\u2019 ny tany ka mandraka ankehitriny. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:7", "text": " Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin\u2019 i Beni-hadada, mpanjakan\u2019 i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga at\u1ef3 ny lehilahin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:8", "text": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Hazaela: Mitondr\u00e0 fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsen\u00e0 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra, ary manontania izay tenin\u2019 i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin\u2019 izao aretiko izao? " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:9", "text": "Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin\u2019 izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan\u2019 i Syria, no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin\u2019 izao aretiko izao? " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:10", "text": "Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:11", "text": "Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:12", "text": "Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin\u2019 ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:13", "text": "Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon\u2019 i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan\u2019 i Syria. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:14", "text": "Dia niala tamin\u2019 i Elisa izy ka nankany amin\u2019 ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain\u2019 i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:15", "text": "Ary nony ampitso, dia nalain\u2019 i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin\u2019 ny rano ary nasarony ny tavan\u2019 i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:16", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona fahadimy nanjakan\u2019 i Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no vao nanjakan\u2019 i Jehorama, zanak\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, tamin\u2019 ny nanjakan\u2019 i Josafata tany Joda. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:17", "text": "Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:18", "text": "Ary nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba, fa ny zanakavavin\u2019 i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:19", "text": "Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin\u2019 i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an\u2019 ny taranany. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:20", "text": "Tamin\u2019 ny androny no niodinan\u2019 i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy; " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:21", "text": "ka dia nankany Za\u00efra Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak\u2019 alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin\u2019 ny komandin\u2019 ny kalesy; ary ny olona nandositra nody. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:22", "text": "Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:23", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Jehorama sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va? " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:24", "text": "Ary Jehorama lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-tan\u00e0nan\u2019 i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:25", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona faharoa ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no vao nanjakan\u2019 i Ahazia, zanak\u2019 i Jehorama, mpanjakan\u2019 ny Joda, " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:26", "text": "Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin\u2019 i Omry, mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:27", "text": "Ary nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah tahaka ny nataon\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba, fa vinanton\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba ihany izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:28", "text": "Ary niaraka tamin\u2019 i Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, izy mba hiady amin\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an\u2019 i Jorama. " }, { "verse": 29, "chapter": 8, "name": "II Kings 8:29", "text": "Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin\u2019 ny feriny tamin\u2019 ny nahavoazan\u2019 ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria. Ary Ahazia, zanak\u2019 i Jehorama, mpanjakan\u2019 ny Joda, nidina hamangy an\u2019 i Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "II Kings 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:1", "text": " Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misik\u00ecna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada; " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:2", "text": "ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak\u2019 i Josafata, zanak\u2019 i Nimsy, ary mid\u00ecra, ka manaing\u00e0 azy hiala amin\u2019 ny namany, ary ento any amin\u2019 ny efi-trano anatiny izy; " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:3", "text": "ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin\u2019 ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:4", "text": "Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon\u2019 ny mpaminany, nankany Ramota-gileada. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:5", "text": "Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy \u00f4, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin\u2019 iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy \u00f4. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:6", "text": "Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin\u2019 ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely oloko. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:7", "text": "Ary hamely ny tamingan\u2019 i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an\u2019 i Jezebela ny ran\u2019 ny mpaminany mpanompoko sy ny ran\u2019 ny mpanompon\u2019 i Jehovah rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:8", "text": "Eny, ho fongotra ny taranak\u2019 i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin\u2019 ny Isiraely; " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:9", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Ahaba hataoko tahaka ny taranak\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, sy tahaka ny taranak\u2019 i Basa, zanak\u2019 i Ahia; " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:10", "text": "Ary Jezebela hohanin\u2019 ny alika ao amin\u2019 ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:11", "text": "Ary Jeho nivoaka nankao amin\u2019 ny mpanompon\u2019 ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan\u2019 iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:12", "text": "Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain\u2019 i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely Aho. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:13", "text": "Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran\u2019 i Jeho teo amin\u2019 ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:14", "text": "Ary Jeho, zanak\u2019 i Josafata, zanak\u2019 i Nimsy, nikomy tamin\u2019 i Jorama (fa Jorama mbamin\u2019 ny Isiraely rehetra niaro an\u2019 i Ramota-gileada noho ny fananihan\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria, azy; " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:15", "text": "Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin\u2019 ny feriny tamin\u2019 ny nahavoazan\u2019 ny Syriana azy, fony izy niady tamin\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tan\u00e0na handeha hilaza izany any Jezirela. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:16", "text": "Dia niakatra teo amin\u2019 ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran\u2019 i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, efa nidina hamangy an\u2019 i Jorama. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:17", "text": "Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon\u2019 ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin\u2019 i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Mak\u00e0 mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va? " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:18", "text": "Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin\u2019 ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:19", "text": "Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin\u2019 ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:20", "text": "Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran\u2019 i Jeho, zanak\u2019 i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:21", "text": "Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, samy nitsangana teo amin\u2019 ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an\u2019 i Jeho, ary nifanena taminy teo amin\u2019 ny tanin\u2019 i Nabota Jezirelita izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:22", "text": "Ary Jorama, nony nahita an\u2019 i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan\u2019 i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony? " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:23", "text": "Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin\u2019 i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:24", "text": "Ary nohenjanin\u2019 i Jeho mafy ny tsip\u00ecka teny an-t\u00e0nany, dia nitifitra an\u2019 i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan\u2019 ny sorony, ary ny zana-tsip\u00ecka niboroaka tamin\u2019 ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin\u2019 ny kalesiny. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:25", "text": "Ary hoy Jeho tamin\u2019 i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin\u2019 ny sahan\u2019 i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an\u2019 i Ahaba rainy, dia nolazain\u2019 i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe: " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:26", "text": "Efa hitako tokoa omaly ny ran\u2019 i Nabota sy ny ran\u2019 ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin\u2019 ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin\u2019 io tany io araka ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:27", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Ahazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, izany, dia nandositra tamin\u2019 ny lalana mankamin\u2019 ny trano ao anatin\u2019 ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin\u2019 ny kalesiny teo amin\u2019 ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan\u2019 i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:28", "text": "Ary ny mpanompony nitondra azy tamin\u2019 ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin\u2019 ny razany tao an-tan\u00e0nan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:29", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahiraika ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, no vao nanjakan\u2019 i Ahazia tamin\u2019 ny tany Joda. " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:30", "text": "Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:31", "text": "Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo? " }, { "verse": 32, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:32", "text": "Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy. " }, { "verse": 33, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:33", "text": "Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin\u2019 ny rindrin-trano sy ny soavaly ny r\u00e0ny; ka dia nohitsahin\u2019 i Jeho izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:34", "text": "Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin\u2019 ny mpanjaka izy. " }, { "verse": 35, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:35", "text": "Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany. " }, { "verse": 36, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:36", "text": "Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin\u2019 i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an\u2019 i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin\u2019 ny tany Jezirela no hihinanan\u2019 ny alika ny nofon\u2019 i Jezebela, " }, { "verse": 37, "chapter": 9, "name": "II Kings 9:37", "text": "Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin\u2019 ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "II Kings 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:1", "text": " Ary nisy zanak\u2019 i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin\u2019 ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin\u2019 ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak\u2019 i Ahaba nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:2", "text": "Ary raha tonga at\u1ef3 aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin\u2019 ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tan\u00e0na mimanda ary ny fiadiana), " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:3", "text": "dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny tomponareo, ary apetraho amin\u2019 ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an\u2019 ny mpianakavin\u2019 ny tomponareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:4", "text": "Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona? " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:5", "text": "Ary ny lehiben\u2019 ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin\u2019 i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:6", "text": "Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankat\u00f2 ny teniko, dia tapaho ny lohan\u2019 ireo zanakalahin\u2019 ny tomponareo, ary mankanesa at\u1ef3 amiko at\u1ef3 Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin\u2019 ireo lehiben\u2019 ny tan\u00e0na, mpitaiza azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:7", "text": "Ary nony efa tonga tany amin\u2019 ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin\u2019 i Jeho tany Jezirela. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:8", "text": "Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan\u2019 ny vavahady mandra-pahamarain\u2019 ny andro. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:9", "text": "Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin\u2019 ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin\u2019 ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto? " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:10", "text": "Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin\u2019 i Jehovah izay nolazainy ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an\u2019 i Elia mpanompony. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:11", "text": "Ka dia novonoin\u2019 i Jeho izay sisa rehetra tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin\u2019 ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:12", "text": "Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian\u2019 ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho, " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:13", "text": "dia nifanena amin\u2019 ny rahalahin\u2019 i Ahazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin\u2019 i Ahazia izahay ary mid\u00ecna mba hamangy ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka sy ny zanakalahin\u2019 ny andriambavy. " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:14", "text": "Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin\u2019 ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:15", "text": "Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an\u2019 i Jonadaba, zanakalahin\u2019 i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin\u2019 ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny t\u00e0nany, ka nampiakarin\u2019 i Jeho ho eo aminy teo anatin\u2019 ny kalesy izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:16", "text": "Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an\u2019 i Jehovah. Dia nentina teo amin\u2019 ny kalesy izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:17", "text": "Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin\u2019 ny tamingan\u2019 i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nolazainy tamin\u2019 i Elia. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:18", "text": "Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an\u2019 i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:19", "text": "Koa ankehitriny vorio ho at\u1ef3 amiko ny mpaminanin\u2019 i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an\u2019 i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon\u2019 i Bala. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:20", "text": "Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana mas\u00ecna ho an\u2019 i Bala. Koa dia nanendry andro izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:21", "text": "Ary Jeho naniraka tany amin\u2019 ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon\u2019 i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon\u2019 i Bala ireo, ka feno hika ny trano. " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:22", "text": "Dia hoy Jeho tamin\u2019 ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon\u2019 i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:23", "text": "Ary Jeho sy Jonadaba, zanak\u2019 i Rekaba, nankao an-tranon\u2019 i Bala ka niteny tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon\u2019 i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon\u2019 i Bala ihany. " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:24", "text": "Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0 izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:25", "text": "Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin\u2019 ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Mid\u00ecra, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin\u2019 ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin\u2019 ny tan\u00e0na nisy ny tranon\u2019 i Bala. " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:26", "text": "Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon\u2019 i Bala izy ka nandoro ireny. " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:27", "text": "Ary nandrava ny tsangam-baton\u2019 i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany. " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:28", "text": "Toy izany no nandravan\u2019 i Jeho an\u2019 i Bala tsy ho amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:29", "text": "Nefa Jeho tsy dia niala tamin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin\u2019 ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana. " }, { "verse": 30, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:30", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin\u2019 ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely ny taranakao hatramin\u2019 ny zafindohalika. " }, { "verse": 31, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:31", "text": "Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin\u2019 ny fony rehetra; fa tsy niala tamin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy. " }, { "verse": 32, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:32", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany no niantombohan\u2019 ny nanakelezan\u2019 i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin\u2019 ny sisin-tanin\u2019 ny Isiraely rehetra " }, { "verse": 33, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:33", "text": "hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron\u2019 ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana. " }, { "verse": 34, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:34", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Jeho sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 35, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:35", "text": "Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 36, "chapter": 10, "name": "II Kings 10:36", "text": "Ary ny andro izay nanjakan\u2019 i Jeho tamin\u2019 ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "II Kings 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:1", "text": " Ary nony hitan\u2019 i Atalia, renin\u2019 i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak\u2019 andriana rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:2", "text": "Fa Joseba, zanakavavin\u2019 i Jehorama mpanjaka ary anabavin\u2019 i Ahazia, dia naka an\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Ahazia, ka namonjy azy mbamin\u2019 ny mpitaiza azy avy teo amin\u2019 ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an\u2019 i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:3", "text": "Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon\u2019 i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:4", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon\u2019 i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon\u2019 i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:5", "text": "Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin\u2019 ny Sabata dia hiambina ny tranon\u2019 ny mpanjaka; " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:6", "text": "ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon\u2019 ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:7", "text": "Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin\u2019 ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon\u2019 i Jehovah hiarovana ny mpanjaka. " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:8", "text": "Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:9", "text": "Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian\u2019 i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin\u2019 ny Sabata sy izay niala tamin\u2019 ny Sabata ary nankany amin\u2019 i Joiada mpisorona. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:10", "text": "Ary ny kapiteny nomen\u2019 ilay mpisorona ny lefona sy ampingan\u2019 i Davida mpanjaka izay tao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:11", "text": "Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin\u2019 ny lafiny ankavanan\u2019 ny trano ka hatramin\u2019 ny lafiny ankavia, hatramin\u2019 ny alitara ka hatramin\u2019 ny trano. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:12", "text": "Dia nentin\u2019 i Joiada nivoaka ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:13", "text": "Ary nony ren\u2019 i Atalia ny tabataban\u2019 ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin\u2019 ny vahoaka tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:14", "text": "Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin\u2019 ny fitoeran\u2019 andriana toy ny fanao, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan\u2019 ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana! " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:15", "text": "Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan\u2019 ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin\u2019 ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:16", "text": "Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin\u2019 ny lalana fandehanan\u2019 ny soavaly ho any an-tranon\u2019 ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:17", "text": "Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin\u2019 i Jehovah, mba ho olon\u2019 i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:18", "text": "Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon\u2019 i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron\u2019 i Bala, novonoiny teo anoloan\u2019 ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:19", "text": "Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin\u2019 ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon\u2019 i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin\u2019 ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon\u2019 ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny mpanjaka izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "II Kings 11:20", "text": "Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tan\u00e0na Ary Atalia novonoiny tamin\u2019 ny sabatra tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "II Kings 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:1", "text": " Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka: " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:2", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahafito nanjakan\u2019 i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:3", "text": "Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny androny rehetra izay nanoloran\u2019 i Joiada mpisorona saina azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:4", "text": "Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin\u2019 ny fitoerana avo ihany. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:5", "text": "Ary hoy Joasy tamin\u2019 ny mpisorona: Ny vola amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna rehetra izay nampidirina tao an-tranon\u2019 i Jehovah, dia ny volan\u2019 ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin\u2019 ny tomban\u2019 olona ary ny vola rehetra Izay nentin\u2019 ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:6", "text": "aoka horaisin\u2019 ny mpisorona amin\u2019 ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin\u2019 ny trano, na amin\u2019 inona na amin\u2019 inona no hitany misy simba. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:7", "text": "Kanjo hatramin\u2019 ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan\u2019 i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin\u2019 ny trano. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:8", "text": "Ka dia niantso an\u2019 i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin\u2019 ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin\u2019 ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin\u2019 ny trano ny vola. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:9", "text": "Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola amin\u2019 ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin\u2019 ny trano. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:10", "text": "Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan\u2019 ny alitara tamin\u2019 ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:11", "text": "Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon\u2019 i Jehovah sady nisainy. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:12", "text": "Ary ny vola voalanja dia natolotr\u2019 ireo ho eo an-tanan\u2019 ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin\u2019 ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon\u2019 i Jehovah " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:13", "text": "sy ho amin\u2019 ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah sy holanina amin\u2019 izay rehetra hanamboarana azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:14", "text": "Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny volafotsy nampidirina tao; " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:15", "text": "fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin\u2019 ireo nanamboatra ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:16", "text": "Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:17", "text": "Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon\u2019 i Jehovah, fa an\u2019 ny mpisorona kosa izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:18", "text": "Ary tamin\u2019 izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria, ary namely an\u2019 i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an\u2019 i Jerosalema koa izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:19", "text": "Ary Joasy, mpanjakan\u2019 ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin\u2019 ny zavatra nohamasinin\u2019 ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin\u2019 ny rakitra, na ny tao an-tranon\u2019 i Jehovah, na ny tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:20", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Joasy sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:21", "text": "Ary nitsangana ny mpanompon\u2019 i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "II Kings 12:22", "text": "Fa Jozakara, zanak\u2019 i Simata, sy Jozabada, zanak\u2019 i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "II Kings 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:1", "text": " Tamin\u2019 ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Ahazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Joahaza, zanak\u2019 i Jeho, tamin\u2019 ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin\u2019 ny folo taona izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:2", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin\u2019 izany izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:3", "text": "Ary ny fahatezeran\u2019 i Jehovah nirehitra tamin\u2019 ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria, sy teo an-tanan\u2019 i Beni-hadada, zanak\u2019 i Hazaela, mandrakariva izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:4", "text": "Ary Joahaza nifona tamin\u2019 i Jehovah, dia nohenoin\u2019 i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian\u2019 ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan\u2019 i Syria. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:5", "text": "Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin\u2019 ny Isiraely, ka dia afaka tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:6", "text": "Kanefa tsy niala tamin\u2019 ny fahotan\u2019 ny taranak\u2019 i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin\u2019 izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:7", "text": "Fa tsy nisy sisa navelan\u2019 i Jehovah ho an\u2019 i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan\u2019 i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:8", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Joahaza sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:9", "text": "Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:10", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Joahaza, tamin\u2019 ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin\u2019 ny folo taona izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:11", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy; fa tsy niala tamin\u2019 ny fahotana rehetra izay nataon\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin\u2019 izany ihany izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:12", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Joasy sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin\u2019 i Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:13", "text": "Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin\u2019 ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:14", "text": "Ary Elisa dia nararin\u2019 ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin\u2019 ny tavan\u2019 i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky \u00f4, ry ikaky \u00f4, ny kalesin\u2019 ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:15", "text": "Ary hoy Elisa taminy: Mak\u00e0 tsip\u00ecka sy zana-tsip\u00ecka. Ary dia naka tsip\u00ecka sy zana-tsip\u00ecka izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:16", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely: Henjano ny tsip\u00ecka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny t\u00e0nany teo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:17", "text": "Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsip\u00eckan\u2019 ny famonjen\u2019 i Jehovah, dia zana-tsip\u00eckan\u2019 ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:18", "text": "Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsip\u00ecka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:19", "text": "Ary ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:20", "text": "Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin\u2019 ny Moabita nananika ny tany amin\u2019 ny fitsingerenan\u2019 ny taona. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:21", "text": "Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan\u2019 i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin\u2019 ny taolan\u2019 i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin\u2019 ny tongony. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:22", "text": "Ary Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria, nampahory ny Isiraely tamin\u2019 ny andro rehetra nanjakan\u2019 i Joahaza. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:23", "text": "Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:24", "text": "Ary maty Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "II Kings 13:25", "text": "Ary Joasy, zanak\u2019 i Joahaza, naka indray teo an-t\u00e0nan\u2019 i Beni-hadada, zanak\u2019 i Hazaela, ny tan\u00e0na izay efa nalain\u2019 i Hazaela teo an-t\u00e0nan\u2019 i Joahaza, rain\u2019 i Joasy, tamin\u2019 ny ady. Intelo no nandresen\u2019 i Joasy azy, ka dia azony indray ny tan\u00e0nan\u2019 ny Isiraely. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "II Kings 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:1", "text": " Tamin\u2019 ny taona faharoa nanjakan\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Joahaza, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no vao nanjakan\u2019 i Amazia, zanak\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:2", "text": "Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:3", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an\u2019 i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon\u2019 i Joasy rainy ihany no nataony. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:4", "text": "Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo ihany ny olona. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:5", "text": "Ary nony tafapetraka tsara teo an-t\u00e0nany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:6", "text": "Fa ny zanak\u2019 ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy, izay nandidian\u2019 i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin\u2019 ny ataon\u2019 ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin\u2019 ny ataon\u2019 ny rainy; fa samy hatao maty amin\u2019 ny fahotany avy ny olona. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:7", "text": "Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin\u2019 ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an\u2019 i Sela tamin\u2019 ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:8", "text": "Tamin\u2019 izany Amazia dia naniraka olona tany amin\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Joahaza, zanak\u2019 i Jeho, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:9", "text": "Fa Joasy mpanjakan\u2019 ny Isiraely, naniraka tany amin\u2019 i Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin\u2019 ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:10", "text": "Efa namely an\u2019 i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin\u2019 ny Joda koa ianao? " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:11", "text": "Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan\u2019 ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:12", "text": "Dia resy teo anoloan\u2019 ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin\u2019 ny lainy avy izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:13", "text": "Ary Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, zanak\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Ahazia, nosamborin\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny m\u00e0ndany hatramin\u2019 ny vavahadin\u2019 i Efraima ka hatramin\u2019 ny vavahady an-jorony. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:14", "text": "Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon\u2019 i Jehovah sy tamin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 ny mpanjaka mbamin\u2019 ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:15", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Joasy sisa mbamin\u2019 ny heriny sy ny niadiany tamin\u2019 i Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:16", "text": "Ary Joasy lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:17", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Amazia, zanak\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Joda, taorian\u2019 ny nahafatesan\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Joahada, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, dia dimy ambin\u2019 ny folo taona. " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:18", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:19", "text": "Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:20", "text": "Ary nasampiny tamin\u2019 ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin\u2019 ny razany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:21", "text": "Ary ny vahoaka rehetra tamin\u2019 ny Joda naka an\u2019 i Azaria, izay vao enina ambin\u2019 ny folo taona tamin\u2019 izay, ka nampanjaka azy handimby an\u2019 i Amazia rainy. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:22", "text": "Izy no hanamboatra an\u2019 i Elota ka nampody azy ho an\u2019 ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany ny mpanjaka. " }, { "verse": 23, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:23", "text": " Tamin\u2019 ny taona fahadimy ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Amazia, zanak\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:24", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa tsy niala tamin\u2019 ny fahotana rehetra izay nataon\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 25, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:25", "text": "Izy no nampody ny sisin-tanin\u2019 ny Isiraely ka azony hatrany akaikin\u2019 i Hamata ka hatramin\u2019 ny ranomasin\u2019 ny tani-hay, araka ny tenin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak\u2019 i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera. " }, { "verse": 26, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:26", "text": "Fa efa hitan\u2019 i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian\u2019 ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory. " }, { "verse": 27, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:27", "text": "Fa tsy mba nolazain\u2019 i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin\u2019 ny lanitra ny anaran\u2019 ny Isiraely; fa ny t\u00e0nan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Joasy, no nentiny namonjy azy. " }, { "verse": 28, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:28", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Jeroboama sisa mbamin\u2019 izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an\u2019 i Damaskosy sy Hamata, izay an\u2019 ny Joda fahiny, ho an\u2019 ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 29, "chapter": 14, "name": "II Kings 14:29", "text": "Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia tao amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "II Kings 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:1", "text": " Tamin\u2019 ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan\u2019 i Jeroboama, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no vao nanjakan\u2019 i Azaria, zanak\u2019 i Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:2", "text": "Enina ambin\u2019 ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:3", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon\u2019 i Amazia rainy; " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:4", "text": "kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo ihany ny olona. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:5", "text": "Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin\u2019 ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:6", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Azaria sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:7", "text": "Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, ka nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:8", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan\u2019 i Azaria, mpanjakan\u2019 ny Joda, no nanjakan\u2019 i Zakaria, zanak\u2019 i Jeroboama, tamin\u2019 ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:9", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah tahaka ny nataon\u2019 ny razany izy, fa tsy niala tamin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:10", "text": "Ary Saloma, zanak\u2019 i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan\u2019 ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:11", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:12", "text": "Izany no ilay tenin\u2019 i Jehovah nolazainy tamin\u2019 i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin\u2019 ny zafindohalika dia hipetraka amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:13", "text": "Ary Saloma, zanak\u2019 i Jabesy, dia vao nanjaka tamin\u2019 ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan\u2019 i Ozia, mpanjakan\u2019 ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:14", "text": "Fa Menahema, zanak\u2019 i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an\u2019 i Saloma, zanak\u2019 i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:15", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Saloma sisa mbamin\u2019 ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:16", "text": "Tamin\u2019 izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an\u2019 i Tifsa mbamin\u2019 izay rehetra tao hatramin\u2019 ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:17", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan\u2019 i Azaria, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Menahema, zanak\u2019 i Gady, tamin\u2019 ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:18", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa tamin\u2019 ny androny rehetra dia tsy niala tamin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:19", "text": "Ary Pola, mpanjakan\u2019 i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an\u2019 i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-t\u00e0nan\u2019 i Menahema. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:20", "text": "Ary nampandoavin\u2019 i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin\u2019 ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan\u2019 i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan\u2019 i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:21", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Menahema sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:22", "text": "Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:23", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahadimam-polo nanjakan\u2019 i Azaria, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Pekahia, zanak\u2019 i Menahema, tamin\u2019 ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:24", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa tsy niala tamin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:25", "text": "Ary Peka, zanak\u2019 i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an\u2019 i Pekahia mbamin\u2019 i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin\u2019 ny trano-avo amin\u2019 ny lapa, ary teo amin\u2019 Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:26", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Pekahia sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:27", "text": "Tamin\u2019 ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan\u2019 i Azaria, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Peka, zanak\u2019 i Remalia, tamin\u2019 ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:28", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, fa tsy niala tamin\u2019 ny fahotan\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:29", "text": "Tamin\u2019 ny andron\u2019 i Peka, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan\u2019 i Asyria, ka nahafaka an\u2019 Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin\u2019 ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:30", "text": "Ary Hosea, zanak\u2019 i Elaha, nikomy tamin\u2019 i Peta, Zanak\u2019 i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin\u2019 ny taona faharoa-polo nanjakan\u2019 i Jotama, zanak\u2019 i Ozia. " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:31", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Peka sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izany. " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:32", "text": " Tamin\u2019 ny taona faharoa nanjakan\u2019 i Peka, zanak\u2019 i Remalia, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no vao nanjakan\u2019 i Jotama, zanak\u2019 i Ozia, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:33", "text": "Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin\u2019 i Zadoka. " }, { "verse": 34, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:34", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon\u2019 i Ozia rainy no nataony. " }, { "verse": 35, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:35", "text": "Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 36, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:36", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Jotama sisa mbamin\u2019 Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 37, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:37", "text": "Tamin\u2019 izany andro Izany no vao nampandehanan\u2019 i Jehovah an\u2019 i Rezina, mpanjakan\u2019 i Syria, sy Peka, zanak\u2019 i Remalia, hanafika an\u2019 i Joda. " }, { "verse": 38, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:38", "text": "Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 39, "chapter": 15, "name": "II Kings 15:39", "text": "" } ] }, { "chapter": 16, "name": "II Kings 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:1", "text": " Tamin\u2019 ny taona fahafito ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Peka, zanak\u2019 i Remalia, no vao nanjakan\u2019 i Ahaza, zanak\u2019 i Jotama, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:2", "text": "Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon\u2019 i Davida rainy izy; " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:3", "text": "fa nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan\u2019 ny jentilisa izay noroahin\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:4", "text": "Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo sy teny amin\u2019 ny havoana ary teny ambanin\u2019 ny hazo maitso rehetra. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:5", "text": "Ary tamin\u2019 izany dia niakatra hanafika an\u2019 i Jerosalema Rezina, mpanjakan\u2019 i Syria, sy Peka, zanak\u2019 i Remalia, mpanjakan\u2019 ny Isiraely; ary nanao fahirano an\u2019 i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:6", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany Rezina, mpanjakan\u2019 i Syria, dia nahalasa an\u2019 i Elota ho isan\u2019 ny fanjakan\u2019 i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:7", "text": "Ary Ahaza naniraka olona ho any amin\u2019 i Tiglato-pilesera, mpanjakan\u2019 i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria sy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:8", "text": "Ary nalain\u2019 i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon\u2019 i Jehovah sy tao amin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:9", "text": "Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan\u2019 i Asyria ka niakatra hamely an\u2019 i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:10", "text": "Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an\u2019 i Tiglato-pilesera, mpanjakan\u2019 i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin\u2019 i Oria mpisorona. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:11", "text": "Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain\u2019 i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan\u2019 i Oria mpisorona azy mandra-pihavin\u2019 i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:12", "text": "Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:13", "text": "Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran\u2019 ny fanati-pihavanany tamin\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:14", "text": "Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan\u2019 ny trano dia eo anelanelan\u2019 ny alitara vaovao sy ny tranon\u2019 i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:15", "text": "Ary Ahaza mpanjaka nandidy an\u2019 i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin\u2019 ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina izay ho an\u2019 ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an\u2019 ny vahoaka rehetra ary ny r\u00e0 rehetra avy amin\u2019 ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-dr\u00e0 hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin\u2019 ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:16", "text": "Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian\u2019 i Ahaza mpanjaka. " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:17", "text": "Ary nesorin\u2019 i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin\u2019 ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:18", "text": "Ary ny Fialofana tamin\u2019 ny Sabata, izay natao teo akaikin\u2019 ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an\u2019 ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan\u2019 i Asyria. " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:19", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "II Kings 16:20", "text": "Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "II Kings 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:1", "text": " Tamin\u2019 ny taona faharoa ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Ahaza, mpanjakan\u2019 ny Joda, no vao nanjakan\u2019 i Hosea, zanak\u2019 i Elaha, tamin\u2019 ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:2", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely teo alohany. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:3", "text": "Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan\u2019 i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:4", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin\u2019 i So, mpanjakan\u2019 i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan\u2019 i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:5", "text": "Dia niakatra ny mpanjakan\u2019 i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:6", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahasivy nanjakan\u2019 i Hosea no nahafahan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria an\u2019 i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron\u2019 i Habora (dia ny onin\u2019 i Gozana izany) ary teny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Mediana. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:7", "text": "Ary ny nahatongavan\u2019 izany dia noho ny nanotan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta ho afaka tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:8", "text": "ka nandeha araka ny fanaon\u2019 ny jentilisa izay noroahin\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely sy araka ny didy izay nataon\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:9", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an\u2019 i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin\u2019 ny tan\u00e0nany rehetra, dia hatramin\u2019 ny tilikambon\u2019 ny mpiambina ka hatramin\u2019 ny tan\u00e0na mim\u00e0nda. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:10", "text": "Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin\u2019 ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin\u2019 ny hazo maitso rehetra izy; " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:11", "text": "ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon\u2019 ny jentilisa izay noroahin\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:12", "text": "Fa nanompo sampy, izay nandraran\u2019 i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:13", "text": "Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain\u2019 i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mial\u00e0 amin\u2019 ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lal\u00e0ko sy ny didiko, araka ny lal\u00e0na rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:14", "text": "Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an\u2019 i Jehovah Andriamaniny. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:15", "text": "Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin\u2019 ny razany mbamin\u2019 ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran\u2019 i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:16", "text": "Ary nahafoy ny didin\u2019 i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an\u2019 ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan\u2019 izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra ary nanompo an\u2019 i Bala. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:17", "text": "Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah ka nampahatezitra Azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:18", "text": "Koa dia tezitra indrindra tamin\u2019 ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen\u2019 i Joda ihany. " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:19", "text": "Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin\u2019 i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon\u2019 ny Isiraely koa. " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:20", "text": "Dia narian\u2019 i Jehovah ny taranak\u2019 Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony. " }, { "verse": 21, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:21", "text": "Fa nendahany niala tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an\u2019 i Jehovah ka nampanota azy indrindra. " }, { "verse": 22, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:22", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely nandeha tamin\u2019 ny fahotana rehetra nataon\u2019 i Jeroboama, fa tsy niala tamin\u2019 izany izy " }, { "verse": 23, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:23", "text": "Mandra-panaisotr\u2019 i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin\u2019 ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany. " }, { "verse": 24, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:24", "text": " Ary ny mpanjakan\u2019 i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 i Samaria nisolo ny Zanak\u2019 Isiraely; dia nahazo an\u2019 i Samaria ireny ka nitoetra teny amin\u2019 ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 25, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:25", "text": "Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an\u2019 i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan\u2019 ireny izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:26", "text": "Dia hoy ny olona tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin\u2019 ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan\u2019 ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon\u2019 ny Andriamanitry ny tany. " }, { "verse": 27, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:27", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin\u2019 ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin\u2019 ny Andriamanitry ny tany any izy. " }, { "verse": 28, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:28", "text": "Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin\u2019 izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 29, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:29", "text": "Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin\u2019 ny trano eny amin\u2019 ny fitoerana avo, izay nataon\u2019 ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin\u2019 ny tan\u00e0na nitoerany avy. " }, { "verse": 30, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:30", "text": "Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an\u2019 i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an\u2019 i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an\u2019 i Asima; " }, { "verse": 31, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:31", "text": "ary ny Avita nanao an\u2019 i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin\u2019 ny afo ho an\u2019 i Adrameleka Anameleka, andriamanitr\u2019 i Sefarvaima. " }, { "verse": 32, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:32", "text": "Dia natahotra an\u2019 i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin\u2019 ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin\u2019 ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin\u2019 ny trano eny amin\u2019 ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka. " }, { "verse": 33, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:33", "text": "Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon\u2019 ny firenena izay efa nangalana azy avy. " }, { "verse": 34, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:34", "text": "Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an\u2019 i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lal\u00e0na sy ny didy izay nandidian\u2019 i Jehovah ny taranak\u2019 i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely " }, { "verse": 35, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:35", "text": "Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy; " }, { "verse": 36, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:36", "text": "Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta tamin\u2019 ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra; " }, { "verse": 37, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:37", "text": "Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lal\u00e0na ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa; " }, { "verse": 38, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:38", "text": "Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo; " }, { "verse": 39, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:39", "text": "Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalonareo rehetra. " }, { "verse": 40, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:40", "text": "Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany. " }, { "verse": 41, "chapter": 17, "name": "II Kings 17:41", "text": "Ka dia natahotra an\u2019 i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin\u2019 ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon\u2019 ny razany ihany no nataon\u2019 ireny mandraka androany. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "II Kings 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona fahatelo nanjakan\u2019 i Hosea, zanak\u2019 i Elaha, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no vao nanjakan\u2019 i Hezekia, zanak\u2019 i Ahaza, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:2", "text": "Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin\u2019 i Zakaria. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:3", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon\u2019 i Davida rainy. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:4", "text": "Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon\u2019 i Mosesy; fa ny Zanak\u2019 Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin\u2019 iny hatramin\u2019 izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:5", "text": "Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin\u2019 izay rehetra mpanjakan\u2019 ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:6", "text": "Fa nifikitra tamin\u2019 i Jehovah izy ka tsy niala tamin\u2019 ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:7", "text": "Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin\u2019 izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria izy ka tsy nanompo azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:8", "text": "Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin\u2019 ny tilikambon\u2019 ny mpiambina ka hatramin\u2019 ny tan\u00e0na mim\u00e0nda. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:9", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahefatra nanjakan\u2019 i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan\u2019 i Hosea, zanak\u2019 i Elaha, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, izany) no niakaran\u2019 i Salmanesera mpanjakan\u2019 i Asyria, hamely an\u2019 i Samaria sy nanaovany fahirano azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:10", "text": "Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak\u2019 ireo ny tan\u00e0na; dia tamin\u2019 ny taona fahenina nanjakan\u2019 i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan\u2019 i Hosea, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, no nahafahana an\u2019 i Samaria. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:11", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron\u2019 i Habora, onin\u2019 i Gozana, ary teny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Mediana, " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:12", "text": "Satria tsy nihaino ny feon\u2019 i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:13", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona fahefatra ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan\u2019 i Asyria, hamely ny tan\u00e0na mim\u00e0nda rehetra any Joda ka nahafaka azy. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:14", "text": "Ary Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda, naniraka tany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan\u2019 i Asyria nampandoa an\u2019 i Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:15", "text": "Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon\u2019 i Jehovah sy tao amin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:16", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany no nanendahan\u2019 i Hezekia ny volamena tamin\u2019 ny varavaran\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah sy tamin\u2019 ny tolana, dia ilay efa napetak\u2019 i Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda; ary dia nomeny ho an\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria izany. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:17", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Asyria naniraka an\u2019 i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin\u2019 ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin\u2019 i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan\u2019 ny lakan-drano amin\u2019 ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin\u2019 ny sahan\u2019 ny mpamotsy lamba. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:18", "text": "Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak\u2019 i Hilkia, izay lehiben\u2019 ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak\u2019 i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:19", "text": "Dia hoy Rabsake tamin\u2019 ireo: Andeha, lazao amin\u2019 i Hezekia hoe: Izao no lazain\u2019 ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan\u2019 i Asyria: Inona izato itokianao? " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:20", "text": "Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao? " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:21", "text": "Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan\u2019 olona iny, dia manindrona ny t\u00e0nany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan\u2019 i Egypta, amin\u2019 izay rehetra matoky azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:22", "text": "Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman\u2019 alitara izay noravan\u2019 i Hezekia, izay nilaza tamin\u2019 ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan\u2019 ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo? " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:23", "text": "Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan\u2019 i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha t\u00e0hiny manana olona hitaingina azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:24", "text": "Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin\u2019 ny mpanompon\u2019 ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an\u2019 i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:25", "text": "Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:26", "text": "Dia hoy Eliakima, zanak\u2019 i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Mas\u00ecna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren\u2019 ny olona eny ambonin\u2019 ny m\u00e0nda. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:27", "text": "Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin\u2019 ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan\u2019 ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin\u2019 ny olona izay mipetraka eny ambonin\u2019 ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:28", "text": "Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin\u2019 ny feo mahery tamin\u2019 ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin\u2019 ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan\u2019 i Asyria: " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:29", "text": "Izao no lazain\u2019 ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin\u2019 i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin\u2019 ny tanako izy tsy akory. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:30", "text": "Ary aza mety hampahatokin\u2019 i Hezetia an\u2019 i Jehovah ianareo amin\u2019 ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria tsy akory ity tan\u00e0na ity. " }, { "verse": 31, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:31", "text": "Aza mihaino an\u2019 i Hezekia; fa izao no lazain\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa at\u1ef3 amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin\u2019 ny lavaka famorian-dranony avy ianareo, " }, { "verse": 32, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:32", "text": "mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin\u2019 izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an\u2019 i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin\u2019 ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. " }, { "verse": 33, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:33", "text": "Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena? " }, { "verse": 34, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:34", "text": "Aiza moa ireo andriamanitr\u2019 i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr\u2019 i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an\u2019 i Samaria tamin\u2019 ny tanako va ireo andriamaniny? " }, { "verse": 35, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:35", "text": "Iza moa amin\u2019 ny andriamanitra rehetra amin\u2019 ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin\u2019 ny tanako, koa aiza no hahavonjen\u2019 i Jehovah an\u2019 i Jerosalema amin\u2019 ny tanako? " }, { "verse": 36, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:36", "text": "Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy. " }, { "verse": 37, "chapter": 18, "name": "II Kings 18:37", "text": "Ary Eliakima, zanak\u2019 i Hilkia izay lehiben\u2019 ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak\u2019 i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin\u2019 i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "II Kings 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:1", "text": " Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:2", "text": "Ary izy naniraka an\u2019 i Eliatima, lehiben\u2019 ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan\u2019 ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin\u2019 Isaia mpaminany, zanak\u2019 i Amoza. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:3", "text": "Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain\u2019 i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:4", "text": "Angamba ho ren\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria tompony hihaika an\u2019 Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:5", "text": "Dia nankany amin\u2019 Isaia ny mpanompon\u2019 i Hezekia mpanjaka. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:6", "text": "Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin\u2019 ny tomponareo hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan\u2019 iretsy ankizilahin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria iretsy Ahy. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:7", "text": "Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin\u2019 ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:8", "text": "Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria fahirano tamin\u2019 izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:9", "text": "Ary nony ren\u2019 i Sankeriba ny amin\u2019 i Tiraka, mpanjakan\u2019 i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin\u2019 i Hezekia izy nanao hoe: " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:10", "text": "Izao no holazainareo amin\u2019 i Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda: Aza mety hofitahin\u2019 ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:11", "text": "Indro, ianao efa nandre izay nataon\u2019 ireo mpanjakan\u2019 i Asyria tamin\u2019 ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:12", "text": "Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan\u2019 ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak\u2019 i Edena, izay tao Telasara? " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:13", "text": "Aiza ny mpanjakan\u2019 i Hamata sy ny mpanjakan\u2019 i Arpada ary ny mpanjakan\u2019 ny tan\u00e0na Sefarvaima sy Hena ary Iva? " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:14", "text": "Dia noraisin\u2019 i Hezekia tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon\u2019 i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:15", "text": "Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan\u2019 i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, Izay mipetraka amin\u2019 ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin\u2019 ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:16", "text": "Atongilano ny sofinao, Jehovah \u00f4, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah \u00f4, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin\u2019 i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an\u2019 Andriamanitra velona. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:17", "text": "Jehovah \u00f4, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan\u2019 i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:18", "text": "ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:19", "text": "Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray \u00f4, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin\u2019 ny t\u00e0nany, mba hahafantaran\u2019 ny fanjakana rehetra ambonin\u2019 ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah \u00f4, no Andriamanitra. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:20", "text": "Ary Isaia, zanak\u2019 i Amoza, dia naniraka hankany amin\u2019 i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin\u2019 i Sankeriba, mpanjakan\u2019 i Asyria, dia efa nohenoiko. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:21", "text": "Koa izao no teny nolazain\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:22", "text": "Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an\u2019 iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:23", "text": "Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin\u2019 ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon\u2019 ny tendrombohitra, tao afovoan\u2019 i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin\u2019 ny faran\u2019 ny azo iakarana ao aho sy any amin\u2019 ny alany midokadoka. " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:24", "text": "Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin\u2019 ny lahin-drano rehetra any Egypta. " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:25", "text": "Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin\u2019 ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tan\u00e0na mimanda ho tonga korontam-bato ianao. " }, { "verse": 26, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:26", "text": "Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin\u2019 ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry. " }, { "verse": 27, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:27", "text": "Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko. " }, { "verse": 28, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:28", "text": "Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin\u2019 ny lalana izay nihavianao ianao. " }, { "verse": 29, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:29", "text": "Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin\u2019 ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin\u2019 ny taona manaraka dia ny kolokolon\u2019 izany, fa amin\u2019 ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinj\u00e0, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihin\u00e0na izay vokatra eo. " }, { "verse": 30, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:30", "text": "Ary izay sisa amin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa. " }, { "verse": 31, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:31", "text": "Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, no hanao izany. " }, { "verse": 32, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:32", "text": "Koa izao no lazain\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria: Tsy ho tafiditra amin\u2019 ity tan\u00e0na ity izy, na handefa zana-tsip\u00ecka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity. " }, { "verse": 33, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:33", "text": "Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin\u2019 ity tan\u00e0na ity izy, hoy Jehovah. " }, { "verse": 34, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:34", "text": "Fa hiaro ity tan\u00e0na ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin\u2019 ny tenako sy Davida mpanompoko. " }, { "verse": 35, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:35", "text": "Ary tamin\u2019 ny alin\u2019 io dia avy ilay Anjelin\u2019 i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin\u2019 ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo. " }, { "verse": 36, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:36", "text": "Dia niainga Sankeriba, mpanjakan\u2019 i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive. " }, { "verse": 37, "chapter": 19, "name": "II Kings 19:37", "text": "Ary raha niankohoka tao an-tranon\u2019 i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian\u2019 i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin\u2019 ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "II Kings 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:1", "text": " Ary tamin\u2019 izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak\u2019 i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:2", "text": "Dia nitodika nankany amin\u2019 ny rindrina izy ka nivavaka tamin\u2019 i Jehovah hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:3", "text": "Jehovah \u00f4, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin\u2019 ny fahamarinana sy tamin\u2019 ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:4", "text": "Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tan\u00e0na afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin\u2019 i Jehovah nanao hoe: " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:5", "text": "Miverena, ka lazao amin\u2019 i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah ianao. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:6", "text": "Ary hampiako dimy ambin\u2019 ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tan\u00e0na ity amin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria Aho; ary hiaro ity tan\u00e0na ity Aho noho ny amin\u2019 ny tenako sy Davida mpanompoko. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:7", "text": "Ary hoy Isaia: Mak\u00e0 ampempan\u2019 aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin\u2019 ny vay, dia sitrana izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:8", "text": "Ary hoy Hezekia tamin\u2019 i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin\u2019 i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon\u2019 i Jehovah raha afaka ampitso? " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:9", "text": "Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin\u2019 i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso h\u00e0diny folo va ny aloka, sa hiverina h\u00e0diny folo? " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:10", "text": "Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan\u2019 ny aloka h\u00e0diny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina h\u00e0diny folo. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:11", "text": "Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin\u2019 i Jehovah, ka nampiverina ny aloka h\u00e0diny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin\u2019 ny dialin\u2019 i Ahaza. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:12", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany no nampitondran\u2019 i Berodaka baladana, zanak\u2019 i Baladana, mpanjakan\u2019 i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an\u2019 i Hezekia; fa efa reny fa narary izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:13", "text": "Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin\u2019 izay rehetra tao amin\u2019 ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon\u2019 i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin\u2019 ny fanjakany rehetra. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:14", "text": "Dia nankany amin\u2019 i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain\u2019 ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:15", "text": "Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin\u2019 ny firaketako rehetra. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:16", "text": "Ary hoy Isaia tamin\u2019 i Hezekia: Henoy ary ny tenin\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:17", "text": "Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin\u2019 ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:18", "text": "Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin\u2019 ny lapan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona ireo. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:19", "text": "Dia hoy Hezekia tamin\u2019 Isaia: Tsara ny tenin\u2019 i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin\u2019 ny androko ka handry fahizay? " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:20", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin\u2019 ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tan\u00e0na, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "II Kings 20:21", "text": "Ary Hezekia lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy " } ] }, { "chapter": 21, "name": "II Kings 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:1", "text": " Roa ambin\u2019 ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:2", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan\u2019 ny firenena izay noroahin\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:3", "text": "Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan\u2019 i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an\u2019 i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan\u2019 izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra izy ka nanompo ireny, " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:4", "text": "sady nanao alitara tao an-tranon\u2019 i Jehovah koa izy, dia tao amin\u2019 izay nolazain\u2019 i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:5", "text": "Fa nanao alitara teo anatin\u2019 ny kianja roa tamin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah ho an\u2019 izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:6", "text": "Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:7", "text": "Ary ny sarin\u2019 i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin\u2019 ny trano nolazain\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin\u2019 ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:8", "text": "Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin\u2019 ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lal\u00e0na rehetra izay nandidian\u2019 i Mosesy mpanompoko azy ihany izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:9", "text": "Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon\u2019 ny jentilisa, izay naringan\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:10", "text": "Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:11", "text": "Satria Manase, mpanjakan\u2019 ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon\u2019 ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin\u2019 ny sampiny, " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:12", "text": "dia izao kosa no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin\u2019 i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:13", "text": "Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan\u2019 i Samaria sy ny pilaon\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba; ary hamaoka an\u2019 i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:14", "text": "Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon\u2019 ny fahavalony rehetra izy, " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:15", "text": "satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin\u2019 ny andro nivoahan\u2019 ny razany avy any Egypta ka mandraka androany. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:16", "text": "Ary na dia ny r\u00e0 marina aza dia nalatsak\u2019 i Manase be dia be mandra-pamenony an\u2019 i Jerosalema rehetra, ho fanampin\u2019 ny ota izay nampanotany ny Joda tamin\u2019 ny nanaovany izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:17", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Manase sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:18", "text": "Ary Manase lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin\u2019 ny sahan\u2019 i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:19", "text": "Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin\u2019 i Haroza, avy any Jotba. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:20", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah koa izy tahaka ny nataon\u2019 i Manase rainy. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:21", "text": "Fa nandeha tamin\u2019 ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:22", "text": "Ary nahafoy an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:23", "text": "Ary ny mpanompon\u2019 i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:24", "text": "Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin\u2019 i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an\u2019 i Josia zanany hisolo azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:25", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "II Kings 21:26", "text": "Ary nalevina tao amin\u2019 ny fasany tao amin\u2019 ny sahan\u2019 i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "II Kings 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:1", "text": " Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin\u2019 i Adaia, avy any Bozkata. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:2", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin\u2019 izay rehetra nalehan\u2019 i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin\u2019 ny ankavanana, na ho amin\u2019 ny ankavia. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:3", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahavalo ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Josia mpanjaka, dia naniraka an\u2019 i Safana mpanoratra, zanak\u2019 i Azalia, zanak\u2019 i Mesolama, izy ho any an-tranon\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:4", "text": "Miakara any amin\u2019 i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah, dia izay nangonin\u2019 ny mpiandry varavarana tamin\u2019 ny olona; " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:5", "text": "ary aoka hatolony ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izany; ary aoka homen\u2019 ireo ho an\u2019 ny mpiasa izay ao an-tranon\u2019 i Jehovah hanamboarany ny simba amin\u2019 ny trano, " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:6", "text": "dia ho an\u2019 ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:7", "text": "Kanefa tsy nampamoahina ny amin\u2019 ny vola natolotra teo an-t\u00e0nany ireo, fa nahatoky izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:8", "text": "Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin\u2019 i Safana mpanoratra: Ny bokin\u2019 ny lal\u00e0na dia hitako tao an-tranon\u2019 i Jehovah. Dia natolotr\u2019 i Hilkia an\u2019 i Safana ny boky ka novakiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:9", "text": "Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin\u2019 ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:10", "text": "Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin\u2019 ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen\u2019 i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin\u2019 i Safana teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka ny boky. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:11", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny mpanjaka ny teny tao amin\u2019 ilay bokin\u2019 ny lal\u00e0na, dia nandriatra ny fitafiany izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:12", "text": "Ary ny mpanjaka nandidy an\u2019 i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak\u2019 i Safana, sy Akbora, zanak\u2019 i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon\u2019 andriana, hoe: " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:13", "text": "Mandehana ianareo, ka manontania amin\u2019 i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin\u2019 ny Joda rehetra ny amin\u2019 ny tenin\u2019 ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran\u2019 i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan\u2019 ny razantsika ny tenin\u2019 ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:14", "text": "Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin\u2019 i Holda mpaminanivavy, vadin\u2019 i Saloma, zanak\u2019 i Tikva, zanak\u2019 i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin\u2019 ny tan\u00e0na ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:15", "text": "Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin\u2019 ny lehilahy izay naniraka anareo ho at\u1ef3 amiko hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:16", "text": "Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin\u2019 ity tan\u00e0na ity sy amin\u2019 ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain\u2019 ny boky novakin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:17", "text": "Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin\u2019 izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin\u2019 izay rehetra nataon\u2019 ny t\u00e0nany, dia mirehitra amin\u2019 ity tan\u00e0na ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana. " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:18", "text": "Fa ny amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin\u2019 i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin\u2019 ny teny izay novakinao, " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:19", "text": "satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan\u2019 i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin\u2019 izay hanjo ity tan\u00e0na ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "II Kings 22:20", "text": "Koa, indro, hangoniko any amin\u2019 ny razanao ianao ary hangonina any amin\u2019 ny fasanao amin\u2019 ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tan\u00e0na ity. Dia nitondra valiny ho any amin\u2019 ny mpanjaka izy ireo. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "II Kings 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:1", "text": " Ary nanirahan\u2019 ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon\u2019 ny Joda Jerosalema rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:2", "text": "Dia niakatra ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin\u2019 ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin\u2019 ny bokin\u2019 ny fanekena izay hita tao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:3", "text": "Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin\u2019 ny fitoeran\u2019 andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan\u2019 i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lal\u00e0ny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin\u2019 ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankat\u00f2 ny tenin\u2019 ny fanekena sy izay voasoratra ao amin\u2019 izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:4", "text": "Ary ny mpanjaka nandidy an\u2019 i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an\u2019 i Bala sy Astarta ary ho an\u2019 izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra hiala amin\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah; ka nodorany tany ivelan\u2019 i Jerosalema teny amin\u2019 ny saha amoron\u2019 i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony. " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:5", "text": "Ary natsahany koa ny mpisorona amin\u2019 ny andriamani-tsi-izy, izay notendren\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin\u2019 ny fitoerana avo tany amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda sy tamin\u2019 ny manodidina an\u2019 i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an\u2019 i Bala, dia ny masoandro, ary ho an\u2019 ny volana sy ny kintana amin\u2019 ny Zodiaka ary ho an\u2019 izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:6", "text": "Ary ny Aseraha navoakany hiala amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah ho any ivelan\u2019 i Jerosalema, ao amin\u2019 ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin\u2019 ny fasam-bahoaka. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:7", "text": "Ary noravany ny tranon\u2019 ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah, dia ireo nanenoman\u2019 ny vehivavy lay ho an\u2019 i Astarta. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:8", "text": "Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan\u2019 ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin\u2019 ny vavahady, dia ilay teo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 i Josoa, komandin\u2019 ny tan\u00e0na, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tanana. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:9", "text": "Fa ny mpisorona tamin\u2019 ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin\u2019 ny rahalahiny ihany izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:10", "text": "Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin\u2019 ny lohasahan\u2019 ny taranak\u2019 i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an\u2019 i Moloka intsony. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:11", "text": "Ary ny soavaly izay nohamasinin\u2019 ireo mpanjakan\u2019 ny Joda ho an\u2019 ny masoandro ka nataony teo amin\u2019 ny fidirana ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah, teo akaikin\u2019 ny efi-tranon\u2019 i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin\u2019 ny masoandro nodorany tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:12", "text": "Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin\u2019 ny tranon\u2019 i Ahaza, izay nataon\u2019 ireo mpanjakan\u2019 ny Joda, sy ny alitara izay nataon\u2019 i Manase tao anatin\u2019 ny kianja roa tamin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah, dia noravan\u2019 ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin\u2019 ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:13", "text": "Ary nolotoin\u2019 ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan\u2019 i Jerosalema, teo amin\u2019 ny ankavanan\u2019 ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon\u2019 i Solomona, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, ho an\u2019 i Astarta, fa havetavetan\u2019 ny Sidoniana, sy ho an\u2019 i Kemosy, fahavetavetan\u2019 i Moaba, ary ho an\u2019 i Milkoma, fahavetavetan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:14", "text": "Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan\u2019 olona ny nitoerany. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:15", "text": "Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:16", "text": "Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin\u2019 ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin\u2019 i Jehovah, izay notorin\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:17", "text": "Dia hoy izy: Tsangam-baton\u2019 iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin\u2019 ny alitara eto Betela izao. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:18", "text": "Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan\u2019 ilay mpaminany avy tany Samaria. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:19", "text": "Ary ny trano rehetra tamin\u2019 ny fitoerana avo, izay teny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 i Samaria, izay nataon\u2019 ireo mpanjakan\u2019 ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan\u2019 i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela. " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:20", "text": "Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin\u2019 ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin\u2019 ny alitara, sady nandoro taolan\u2019 olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:21", "text": "Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ity fanekena ity. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:22", "text": "Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin\u2019 ny andron\u2019 ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin\u2019 ny andro rehetra nanjakan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy ny mpanjakan\u2019 ny Joda; " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:23", "text": "fa tamin\u2019 ny taona fahavalo ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an\u2019 i Jehovah tany Jerosalema. " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:24", "text": "Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin\u2019 ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin\u2019 i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin\u2019 ny lal\u00e0na voasoratra ao amin\u2019 ilay boky hitan\u2019 i Hilkia mpisorona tao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:25", "text": "Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany. " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:26", "text": "Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin\u2019 ny firehetan\u2019 ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin\u2019 ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran\u2019 i Manase Azy. " }, { "verse": 27, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:27", "text": "Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tan\u00e0na Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako. " }, { "verse": 28, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:28", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Josia sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 29, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:29", "text": "Tamin\u2019 ny andro nanjakan\u2019 i Josia no niakaran\u2019 i Farao-neko, mpanjakan\u2019 i Egypta, hankany amoron\u2019 ny ony Eofrata hiady amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin\u2019 i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:30", "text": "Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin\u2019 ny fasany. Ary nalain\u2019 ny vahoaka Joahaza, zanak\u2019 i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy. " }, { "verse": 31, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:31", "text": " Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin\u2019 i Jeremia, avy any Libna. " }, { "verse": 32, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:32", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon\u2019 ny razany. " }, { "verse": 33, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:33", "text": "Ary nafatotr\u2019 i Farao-neko tao Ribla any amin\u2019 ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana. " }, { "verse": 34, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:34", "text": "Ary Farao-neko nanendry an\u2019 i Eliakima, zanak\u2019 i Josia, ho mpanjaka hisolo an\u2019 i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany. " }, { "verse": 35, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:35", "text": "Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen\u2019 i Joiakima an\u2019 i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin\u2019 i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an\u2019 i Farao-neko. " }, { "verse": 36, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:36", "text": "Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin\u2019 ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin\u2019 i Pedaia, avy any Romaha. " }, { "verse": 37, "chapter": 23, "name": "II Kings 23:37", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy tahaka izay nataon\u2019 ny razany. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "II Kings 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:1", "text": "Tamin\u2019 ny andro nanjakan\u2019 i Joiakima no niakaran\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:2", "text": "Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan\u2019 ny Kaldeana sy ny miaramilan\u2019 ny Syriana sy ny miaramilan\u2019 i Moaba ary ny miaramilan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin\u2019 ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin\u2019 i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:3", "text": "Dia araka ny tenin\u2019 i Jehovah ihany no nahatongavan\u2019 izany tamin\u2019 ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan\u2019 i Manase tahaka izay rehetra nataony " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:4", "text": "sy noho ny r\u00e0 marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny r\u00e0 marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan\u2019 i Jehovah hamela ny helony. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:5", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Joiakima sisa mbamin\u2019 izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda va izany? " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:6", "text": "Ary Joiakima lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:7", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Egypta tsy nivoaka avy tany amin\u2019 ny taniny intsony; fa lasan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona izay rehetra an\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta hatramin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Egypta ka hatramin\u2019 ny ony Eofrata. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:8", "text": "Valo ambin\u2019 ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin\u2019 i Elnatana, avy any Jerosalema. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:9", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:10", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany no niakaran\u2019 ny mpanompon\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, hamely an\u2019 i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:11", "text": "Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan\u2019 i Babylona, hamely ny tan\u00e0na, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:12", "text": "Ary Joiakina, mpanjakan\u2019 ny Joda, nivoaka nankany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin\u2019 ny tandapany; ary nentin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona izy tamin\u2019 ny taona fahavalo nanjakany. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:13", "text": "Ary navoakan\u2019 i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon\u2019 i Jehovah sy tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon\u2019 i Solomona, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, tao amin\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah, araka izay nolazain\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:14", "text": "Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin\u2019 ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:15", "text": "Ary nitondra an\u2019 i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin\u2019 ny mpanjaka sy ny vadin\u2019 ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin\u2019 ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:16", "text": "Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona ho babo tany Babylona avokoa. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:17", "text": "Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona ho mpanjaka hisolo an\u2019 i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:18", "text": " Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin\u2019 i Jeremia, avy any Libna. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:19", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon\u2019 i Joiakima. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "II Kings 24:20", "text": "Fa ny fahatezeran\u2019 i Jehovah no nahatongavan\u2019 izany tamin\u2019 i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "II Kings 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:1", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafolo tamin\u2019 ny volana fahafolo tamin\u2019 ny taona fahasivy nanjakan\u2019 i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an\u2019 i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:2", "text": "Ary nataony fahirano ny tan\u00e0na hatramin\u2019 ny taona fahiraika ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Zedekia mpanjaka. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:3", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahasivy tamin\u2019 ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tan\u00e0na, fa tsy nisy hanina ho an\u2019 ny olona tompon-tany. " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:4", "text": "Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin\u2019 ny lalana nankamin\u2019 ny vavahady tanelanelan\u2019 ny manda roa, izay eo anilan\u2019 ny sahan\u2019 ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tan\u00e0na), ary ny mpanjaka nandeha tamin\u2019 ny lalana mankeny amin\u2019 ny tani-hay. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:5", "text": "Ary ny miaramilan\u2019 ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin\u2019 ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:6", "text": "Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:7", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason\u2019 i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin\u2019 ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:8", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafito tamin\u2019 ny volana fahadimy tamin\u2019 ny taona fahasivy ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben\u2019 ny mpiambina, mpanompon\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona, " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:9", "text": "ka nandoro ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny tranon\u2019 ny mpanjaka mbamin\u2019 ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin\u2019 ny afo avokoa. " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:10", "text": "Ary ny manda manodidina an\u2019 i Jerosalema dia noravan\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben\u2019 ny mpiambina. " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:11", "text": "Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan\u2019 i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin\u2019 i Neborazadana, lehiben\u2019 ny mpiambina, ho babo avokoa. " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:12", "text": "Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany. " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:13", "text": "Ary ireo andry varahina teo an-tranon\u2019 i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon\u2019 i Jehovah dia notorotoroin\u2019 ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina. " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:14", "text": "Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron\u2019 afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana. " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:15", "text": "Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:16", "text": "ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon\u2019 i Solomona ho amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah; ny varahina tamin\u2019 izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja. " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:17", "text": "Valo ambin\u2019 ny folo hakiho ny hahavon\u2019 ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin\u2019 ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin\u2019 ny harato. " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:18", "text": "Ary ny lehiben\u2019 ny mpiambina nisambotra an\u2019 i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy; " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:19", "text": "ary tao an-tan\u00e0na no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin\u2019 izay mpitoetra teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka, izay hita tao an-tan\u00e0na, ary ny mpanoratry ny komandin\u2019 ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tan\u00e0na; " }, { "verse": 20, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:20", "text": "dia nosamborin\u2019 i Nebozaradana, lehiben\u2019 ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona tao Ribla. " }, { "verse": 21, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:21", "text": "Dia novonoin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Babylona tao Ribla any amin\u2019 ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin\u2019 ny taniny. " }, { "verse": 22, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:22", "text": "Fa ny amin\u2019 ny olona izay sisa tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda, izay navelan\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, dia Gedalia, zanak\u2019 i Ahikama, zanak\u2019 i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:23", "text": "Ary nony ren\u2019 ny komandin\u2019 ny miaramila rehetra mbamin\u2019 ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin\u2019 i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak\u2019 i Netania, sy Johanana, zanak\u2019 i Karea, sy Seraia, zanak\u2019 i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak\u2019 ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy. " }, { "verse": 24, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:24", "text": "Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin\u2019 ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin\u2019 ny mpanompon\u2019 ny Kaldeana, fa mitomoera amin\u2019 ny tany, ary manompoa ny mpanjakan\u2019 i Babylona, fa izany no hahasoa anareo. " }, { "verse": 25, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:25", "text": "Ary tamin\u2019 ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak\u2019 i Netania, zanak\u2019 i Elisama, isan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny mpanjaka, mbamin\u2019 ny olona folo lahy koa ka namely an\u2019 i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa. " }, { "verse": 26, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:26", "text": "Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin\u2019 ny komandin\u2019 ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:27", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafito amby roa-polo tamin\u2019 ny volana faharoa ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny taona fahafito amby telo-polo taorian\u2019 ny namaboana an\u2019 i Joiakina, mpanjakan\u2019 ny Joda, tamin\u2019 ny taona vao nanjakan\u2019 i Evila-merodaka, mpanjakan\u2019 i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 28, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:28", "text": "Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan\u2019 ireo mpanjaka namany tao Babylona. " }, { "verse": 29, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:29", "text": "Ka dia novan\u2019 i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin\u2019 ny andro niainany rehetra. " }, { "verse": 30, "chapter": 25, "name": "II Kings 25:30", "text": "Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin\u2019 ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan\u2019 andro isan\u2019 andro tamin\u2019 ny andro rehetra niainany. " } ] } ] }, { "name": "I Chronicles", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:1", "text": " Adama, Seta, Enosy, " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:2", "text": "Kenana, Mahalalila, Jareda, " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:3", "text": "Enoka, Metosela, Lameka, " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:4", "text": "Noa, Sema, Hama ary Jafeta. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:5", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:6", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:7", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:8", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:9", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin\u2019 i Ragama dia Seba sy Dedana. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:10", "text": "Ary Kosy niteraka an\u2019 i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:11", "text": "Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:12", "text": "sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian\u2019 ny Filistina) ary ny Kaftorita. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:13", "text": "Ary Kanana niteraka an\u2019 i Sidona, lahimatoany, sy Heta " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:14", "text": "ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:15", "text": "sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:16", "text": "sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:17", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:18", "text": "Ary Arpaksada niteraka an\u2019 i Sela; ary Sela niteraka an\u2019 i Ebera. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:19", "text": "Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran\u2019 ny iray natao hoe Palega, satria tamin\u2019 ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:20", "text": "Ary Joktana niteraka an\u2019 i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:21", "text": "sy Hadorama sy Ozala sy Dikla " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:22", "text": "sy Ebala sy Abimaela sy Sheba " }, { "verse": 23, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:23", "text": "sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019 i Joktana. " }, { "verse": 24, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:24", "text": "Sema, Arpaksada, Sela, " }, { "verse": 25, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:25", "text": "Ebera, Palega, Reo, " }, { "verse": 26, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:26", "text": "Seroga, Nahora, Tera, " }, { "verse": 27, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:27", "text": "Abrama (dia Abrahama izany). " }, { "verse": 28, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:28", "text": " Ny zanakalahin\u2019 i Abrahama dia Isaka sy Isimaela. " }, { "verse": 29, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:29", "text": "Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan\u2019 Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama " }, { "verse": 30, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:30", "text": "sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema " }, { "verse": 31, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:31", "text": "sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin\u2019 Isimaela. " }, { "verse": 32, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:32", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Ketora, vaditsindranon\u2019 i Abrahama. Izy no niteraka an\u2019 i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin\u2019 i Joksana dia Sheba sy Dedana. " }, { "verse": 33, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:33", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019 i Ketora. " }, { "verse": 34, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:34", "text": "Ary Abrahama niteraka an\u2019 Isaka. Ny zanakalahin\u2019 i Isaka dia Esao sy Isiraely. " }, { "verse": 35, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:35", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora. " }, { "verse": 36, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:36", "text": "Ny zanak\u2019 i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka. " }, { "verse": 37, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:37", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza. " }, { "verse": 38, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:38", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Se\u00efra dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana. " }, { "verse": 39, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:39", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin\u2019 i Lotana. " }, { "verse": 40, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:40", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin\u2019 i Zibona dia Aia sy Ana. " }, { "verse": 41, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:41", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin\u2019 i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana. " }, { "verse": 42, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:42", "text": "Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin\u2019 i Disana dia Oza sy Arana. " }, { "verse": 43, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:43", "text": "Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin\u2019 ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely: Bela, zanak\u2019 i Beora; ary Dinaba no anaran\u2019 ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 44, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:44", "text": "Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak\u2019 i Zera, avy any Bozra. " }, { "verse": 45, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:45", "text": "Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Temanita. " }, { "verse": 46, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:46", "text": "Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak\u2019 i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin\u2019 ny tany Moaba; ary Avita no anaran\u2019 ny tan\u00e0nany. " }, { "verse": 47, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:47", "text": "Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka. " }, { "verse": 48, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:48", "text": "Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron\u2019 ny Ony. " }, { "verse": 49, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:49", "text": "Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak\u2019 i Akbora. " }, { "verse": 50, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:50", "text": "Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran\u2019 ny tan\u00e0nany; ary ny anaran\u2019 ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin\u2019 i Matreda, zanakavavin\u2019 i Me-zahaba. " }, { "verse": 51, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:51", "text": "Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen\u2019 i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny, " }, { "verse": 52, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:52", "text": "Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny, " }, { "verse": 53, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:53", "text": "Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny, " }, { "verse": 54, "chapter": 1, "name": "I Chronicles 1:54", "text": "Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen\u2019 i Edoma. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:1", "text": " Izao no zanakalahin\u2019 Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:2", "text": "sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:3", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak\u2019 i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason\u2019 i Jehovah Era, lahimatoan\u2019 i Joda, dia nahafaty azy Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:4", "text": "Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an\u2019 i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin\u2019 i Joda rehetra. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:5", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Fareza dia Hezrona sy Hamola. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:6", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:7", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin\u2019 ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin\u2019 ny zavatra voaozona. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:8", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Etana dia Azaria. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:9", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay; " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:10", "text": "ary Rama niteraka an\u2019 i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an\u2019 i Nasona, lohan\u2019 ny taranak\u2019 i Joda; " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:11", "text": "ary Nasona niteraka an\u2019 i Salma; ary Salma niteraka an\u2019 i Boaza; " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:12", "text": "ary Boaza niteraka an\u2019 i Obeda; ary Obeda niteraka an\u2019 i Jese; " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:13", "text": "ary Jese niteraka an\u2019 i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo, " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:14", "text": "sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy, " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:15", "text": "sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy; " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:16", "text": "Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin\u2019 i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela; " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:17", "text": "ary Abigaila niteraka an\u2019 i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain\u2019 i Amasa. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:18", "text": "Ary Kaleba, zanakalahin\u2019 i Hezrona, niteraka tamin\u2019 i Azoba vadiny sy tamin\u2019 i Jeriota. Izao no zanakalahin\u2019 i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:19", "text": "Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain\u2019 i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an\u2019 i Hora taminy; " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:20", "text": "ary Hora niteraka an\u2019 i Ory; ary Ory niteraka an\u2019 i Bezalila. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:21", "text": "Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Makira, rain\u2019 i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an\u2019 i Segoba taminy ravehivavy; " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:22", "text": "ary Segoba niteraka an\u2019 i Ja\u00efra, izay nanana tan\u00e0na madinika telo amby roa-polo tany amin\u2019 ny tany Gileada. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:23", "text": "Ary nalain\u2019 i Gesora sy Arama tamin\u2019 ny Jairita ny tan\u00e0na madinika an\u2019 i Ja\u00efra mbamin\u2019 i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tan\u00e0na enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an\u2019 ny zanak\u2019 i Makira, rain\u2019 i Gileada. " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:24", "text": "Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin\u2019 i Hezrona, dia niteraka an\u2019 i Asora, razamben\u2019 ny any Tekoa, taminy. " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:25", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jeramela, lahimatoan\u2019 i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia. " }, { "verse": 26, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:26", "text": "Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin\u2019 i Onama. " }, { "verse": 27, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:27", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Rama, lahimatoan\u2019 i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera. " }, { "verse": 28, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:28", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin\u2019 i Samay dia Nadaba sy Abisora. " }, { "verse": 29, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:29", "text": "Ary ny anaran\u2019 ny vadin\u2019 i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an\u2019 i Abana sy Molida taminy. " }, { "verse": 30, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:30", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda. " }, { "verse": 31, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:31", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin\u2019 i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin\u2019 i Sesana dia Ahelay. " }, { "verse": 32, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:32", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jada, rahalahin\u2019 i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera. " }, { "verse": 33, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:33", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin\u2019 i Jeramela. " }, { "verse": 34, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:34", "text": "Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany. " }, { "verse": 35, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:35", "text": "Ary ny zananivavy nomen\u2019 i Sesana ho vadin\u2019 i Jara mpanompony; ary izy niteraka an\u2019 i Atahy taminy. " }, { "verse": 36, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:36", "text": "Ary Atahy niteraka an\u2019 i Natana; ary Natana niteraka an\u2019 i Zabada; " }, { "verse": 37, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:37", "text": "ary Zabada niteraka an\u2019 i Efiala; ary Efiala niteraka an\u2019 i Obeda; " }, { "verse": 38, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:38", "text": "ary Obeda niteraka an\u2019 i Jeho; ary Jeho niteraka an\u2019 i Azaria; " }, { "verse": 39, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:39", "text": "ary Azaria niteraka an\u2019 i Haleza; ary Haleza niteraka an\u2019 i Elasa; " }, { "verse": 40, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:40", "text": "ary Elasa niteraka an\u2019 i Sismay; ary Sismay niteraka an\u2019 i Saloma; " }, { "verse": 41, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:41", "text": "ary Saloma niteraka an\u2019 i Jekamia; ary Jekamia niteraka an\u2019 i Elisama. " }, { "verse": 42, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:42", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kaleba, rahalahin\u2019 i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben\u2019 ny any Zifa, sy ny zanakalahin\u2019 i Maresa, razamben\u2019 ny any Hebrona. " }, { "verse": 43, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:43", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema. " }, { "verse": 44, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:44", "text": "Ary Sema niteraka an\u2019 i Rahama, rain\u2019 i Jorkeama, ary Rakema niteraka an\u2019 i Samay; " }, { "verse": 45, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:45", "text": "ary ny zanakalahin\u2019 i Samay dia Maona, ary Maona no razamben\u2019 ny any Beti-zora; " }, { "verse": 46, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:46", "text": "ary Efaha, vaditsindranon\u2019 i Kaleba, niteraka an\u2019 i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an\u2019 i Gazeza. " }, { "verse": 47, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:47", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa. " }, { "verse": 48, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:48", "text": "Maka, vaditsindranon\u2019 i Kaleba, niteraka an\u2019 i Sabera sy Tirana. " }, { "verse": 49, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:49", "text": "Izy koa niteraka an\u2019 i Safa, razamben\u2019 ny any Madmana, sy Seva, razamben\u2019 ny any Makbena sady razamben\u2019 ny any Gibea; ary ny zanakavavin\u2019 i Kaleba dia Aksa. " }, { "verse": 50, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:50", "text": "Izao no zanakalahin\u2019 i Kaleba, zanak\u2019 i Hora, lahimatoan\u2019 i Efrata: Sobala, razamben\u2019 ny any Kiriata-Jearima, " }, { "verse": 51, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:51", "text": "Salma, razamben\u2019 ny any Betlehema, Harefa, razamben\u2019 ny any Beti-gadera. " }, { "verse": 52, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:52", "text": "Ary Sobala, razamben\u2019 ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota " }, { "verse": 53, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:53", "text": "ary ny fokon\u2019 i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misra\u00efta; avy tamin\u2019 ireo no nihavian\u2019 ny Zora\u00efta sy ny Estaolita. " }, { "verse": 54, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:54", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zora\u00efta " }, { "verse": 55, "chapter": 2, "name": "I Chronicles 2:55", "text": "ary ny fokon\u2019 ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin\u2019 i Hamata, rain\u2019 ny taranak\u2019 i Rekaba. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:1", "text": " Ary izao no zanakalahin\u2019 i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak\u2019 i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak\u2019 i Abigaila Karmelita, no lahiaivo; " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:2", "text": "Absaloma, zanak\u2019 i Maka, zanakavavin\u2019 i Talmay, mpanjakan\u2019 i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak\u2019 i Hagita, no fahefatra; " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:3", "text": "Sefatia, zanak\u2019 i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak\u2019 i Egla vadiny, no fahenina. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:4", "text": "Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:5", "text": "Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak\u2019 i Batsoa, zanakavavin\u2019 i Amiela) " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:6", "text": "sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:7", "text": "sy Noga sy Nafega sy Jafia " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:8", "text": "sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:9", "text": "Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019 i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin\u2019 ireo. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:10", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin\u2019 i Abia, Josafata no zanakalahin\u2019 i Asa, " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:11", "text": "Jehorama no zanakalahin\u2019 i Josafata, Ahazia no zanakalahin\u2019 i Jehorama. Joasy no zanakalahin\u2019 i Ahazia, " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:12", "text": "Amazia no zanakalahin\u2019 i Joasy, Azaria no zanakalahin\u2019 Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria, " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:13", "text": "Ahaza no zanakalahin\u2019 i Jotama Hezekia no zanakalahin\u2019 i Ahaza, Manase no zanakalahin\u2019 i Hezetia, " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:14", "text": "Amona no zanakalahin\u2019 i Manase, Josia no zanakalahin\u2019 i Amona. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:15", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:16", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak\u2019 i Jekonia. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:17", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak\u2019 i Asira, " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:18", "text": "ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:19", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin\u2019 i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny, " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:20", "text": "ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:21", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin\u2019 i Rafaia sy ny zanakalahin\u2019 i Arnana sy ny zanakalahin\u2019 i Obadia ary ny zanakalahin\u2019 i Sekania. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:22", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin\u2019 i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:23", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "I Chronicles 3:24", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:1", "text": " Ny zanakalahin\u2019 i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:2", "text": "Ary Reaia, zanakalahin\u2019 i Sobala, niteraka an\u2019 i Jahata; ary Jahata niteraka an\u2019 i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon\u2019 ny Zora\u00efta. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:3", "text": "Ary izao no avy amin\u2019 ny rain\u2019 i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran\u2019 ny anabaviny, " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:4", "text": "ary Penoela, rain\u2019 i Gedora, sy Ezera, rain\u2019 i Hosa. Ireo no zanak\u2019 i Hora, lahimatoan\u2019 i Efrata, razamben\u2019 ny any Betlehema. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:5", "text": "Ary Asora, razamben\u2019 ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:6", "text": "Ary Nara niteraka an\u2019 i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin\u2019 i Nara. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:7", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:8", "text": "Ary Hakoza niteraka an\u2019 i Anoba sy Zobeba ary ny fokon\u2019 i Aharela, zanakalahin\u2019 i Haroma. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:9", "text": "Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:10", "text": "Ary Jabeza niantso an\u2019 Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin\u2019 ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen\u2019 Andriamanitra azy ny nangatahiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:11", "text": "Ary Keloba, rahalahin\u2019 i Soha, niteraka an\u2019 i Mehira, rain\u2019 i Estona; " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:12", "text": "ary Estona niteraka an\u2019 i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain\u2019 Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:13", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin\u2019 i Otniela dia Hatata. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:14", "text": "Ary Meonotahy niteraka an\u2019 i Ofra; ary Seraia niteraka an\u2019 i Joaba, razamben\u2019 ny ao an-dohasahan\u2019 ny mpiasa; fa mpiasa ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:15", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kaleba, zanakalahin\u2019 i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin\u2019 i Elaha dia Kenaza. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:16", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:17", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an\u2019 i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben\u2019 ny any Estemoa. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:18", "text": "Ary Jehodia vadiny niteraka an\u2019 i Jareda, razamben\u2019 ny any Gedora, sy Hebera, razamben\u2019 ny any Soko, ary Jakotiela, razamben\u2019 ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin\u2019 i Bitia, zanakavavin\u2019 i Farao, izay novadin\u2019 i Mareda. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:19", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Hodia vadiny, izay anabavin\u2019 i Nahama, dia ny razamben\u2019 ny an\u2019 i Keila Garmita sy Estemoa Makatita. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:20", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin\u2019 i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:21", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Sela, zanak\u2019 i Joda, dia Era, rain\u2019 i Leka, sy Lada, rain\u2019 i Maresa, sy ny fokon\u2019 ny mpanao rongony fotsy madinika amin\u2019 ny ankohonan\u2019 i Asbea; " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:22", "text": "ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:23", "text": "Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin\u2019 ny mpanjaka hanao ny asany. " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:24", "text": " Ny zanakalahin\u2019 i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly, " }, { "verse": 25, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:25", "text": "dia Saloma no zanakalahin\u2019 i Saoly, Mibsama no zanakalahin\u2019 i Saloma, Misma no zanakalahin\u2019 i Mibsama. " }, { "verse": 26, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:26", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin\u2019 i Hamoela, Simey no zanakalahin\u2019 i Zakora. " }, { "verse": 27, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:27", "text": "Ary Simey nanan-janaka enina ambin\u2019 ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak\u2019 i Joda ny fokony rehetra. " }, { "verse": 28, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:28", "text": "Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala " }, { "verse": 29, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:29", "text": "sy Bila sy Ezema sy Tolada " }, { "verse": 30, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:30", "text": "sy Betoela sy Horma sy Ziklaga " }, { "verse": 31, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:31", "text": "sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tan\u00e0na nonenany mandra-panjakan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 32, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:32", "text": "Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo, " }, { "verse": 33, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:33", "text": "ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tan\u00e0na izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:34", "text": "Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak\u2019 i Amazia, " }, { "verse": 35, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:35", "text": "ary Joela sy Jeho, zanak\u2019 i Josibia, zanak\u2019 i Seraia, zanak\u2019 i Asiela, " }, { "verse": 36, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:36", "text": "ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia " }, { "verse": 37, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:37", "text": "sy Ziza, zanak\u2019 i Sify, zanak\u2019 i Alona, zanak\u2019 i Jedaia, zanak\u2019 i Simry, zanak\u2019 i Semaia; " }, { "verse": 38, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:38", "text": "ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin\u2019 ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany. " }, { "verse": 39, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:39", "text": "Ary nankany amin\u2019 ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin\u2019 ny ilany atsinanana amin\u2019 ny lohasaha, hitady ahitra ho an\u2019 ny ondriny aman\u2019 osiny. " }, { "verse": 40, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:40", "text": "Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak\u2019 i Hama no nonina tany taloha. " }, { "verse": 41, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:41", "text": "Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin\u2019 ny andron\u2019 i Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an\u2019 ny ondriny aman\u2019 osiny tany. " }, { "verse": 42, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:42", "text": "Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Simeona nankany amin\u2019 ny tendrombohitra Se\u00efra ka nanana an\u2019 i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin\u2019 i Jisy, ho mpifehy azy. " }, { "verse": 43, "chapter": 4, "name": "I Chronicles 4:43", "text": "Ary namely ny sisa afaka tamin\u2019 ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:1", "text": " Ary ny zanakalahin\u2019 i Robena, lahimatoan\u2019 Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an\u2019 ny zanak\u2019 i Josefa, zanak\u2019 Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin\u2019 ny fitantaram-pirazanana ireo; " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:2", "text": "fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian\u2019 ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an\u2019 i Josefa ihany), " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:3", "text": "ny zanakalahin\u2019 i Robena, lahimatoan\u2019 Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:4", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin\u2019 i Semaia, Sirney no zanakalahin\u2019 i Goga, " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:5", "text": "Mika no zanakalahin\u2019 i simey, Reaia no zanakalahin\u2019 i Mika, Bala no zanakalahin\u2019 i Reaia, " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:6", "text": "Bera no zanakalahin\u2019 i Bala, izay nobaboin\u2019 i Tiglato-pilesera, mpanjakan\u2019 i Asyria; izy no loham-pirenen\u2019 ny Robenita. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:7", "text": "Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan\u2019 ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:8", "text": "ary Bela, zanak\u2019 i Azaza, zanak\u2019 i Sema, zanak\u2019 i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:9", "text": "Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin\u2019 ny efitra ka hatramin\u2019 ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman\u2019 ondriny nihamaro teny amin\u2019 ny tany Gileada. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:10", "text": "Ary tamin\u2019 ny andron\u2019 i Saoly dia niady tamin\u2019 ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran\u2019 ny ilany atsinanana rehetra amin\u2019 i Gileada izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:11", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Gada nonina tandrifiny, teny amin\u2019 ny tany Basana hatrany Saleka; " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:12", "text": "Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:13", "text": "Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:14", "text": "Ireo no zanakalahin\u2019 i Abihaila, zanak\u2019 i Hory, zanak\u2019 i Jaroa, zanak\u2019 i Gileada, zanak\u2019 i Mikaela, zanak\u2019 i Jesisay, zanak\u2019 i Jado, zanak\u2019 i Boza; " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:15", "text": "Ahia, zanak\u2019 i Abdiela, zanak\u2019 i Gony, no lohan\u2019 ny fianakaviany. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:16", "text": "Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin\u2019 ny zana-bohiny ary tamin\u2019 ny tany rehetra an-tsisin\u2019 i Sardna manodidina izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:17", "text": "Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin\u2019 ny andron\u2019 i Jotama, mpanjakan\u2019 ny Joda, sy tamin\u2019 ny andron\u2019 i Jeroboama, mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:18", "text": "Ny taranak\u2019 i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase, izay isan\u2019 ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsip\u00ecka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan\u2019 ny azo nalefa hanafika. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:19", "text": "Ary niady tamin\u2019 ny Hagarita sy tamin\u2019 i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:20", "text": "Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-t\u00e0nany ny Hagarita mbamin\u2019 izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin\u2019 Andriamanitra teo amin\u2019 ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:21", "text": "Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman\u2019 osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy; " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:22", "text": "fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin\u2019 Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan\u2019 ny namaboana azy kosa. " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:23", "text": "Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia nonina tamin\u2019 ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin\u2019 ny tendrombohitra Hermona. " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:24", "text": "Ary izao no lohan\u2019 ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy. " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:25", "text": "Ary nivadika tamin\u2019 Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan\u2019 Andriamanitra tsy ho eo anoloany. " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:26", "text": "Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an\u2019 i Pola, mpanjakan\u2019 i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan\u2019 i Asyria, ka dia nobaboin\u2019 ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron\u2019 ny ony Gozana ambaraka androany. " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:27", "text": " Ny zanakalahin\u2019 i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary. " }, { "verse": 28, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:28", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. " }, { "verse": 29, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:29", "text": "Ary ny zanak\u2019 i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin\u2019 i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. " }, { "verse": 30, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:30", "text": "Eleazara niteraka an\u2019 i Finehasa; ary Finehasa niteraka an\u2019 i Abisoa; " }, { "verse": 31, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:31", "text": "ary Abisoa niteraka an\u2019 i Boky; ary Boky niteraka an\u2019 i Ozy; " }, { "verse": 32, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:32", "text": "ary Ozy niteraka an\u2019 i Zerahia; ary Zerahia niteraka an\u2019 i Meraiota; " }, { "verse": 33, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:33", "text": "ary Meraiota niteraka an\u2019 i Amaria; ary Amaria niteraka an\u2019 i Ahitoba; " }, { "verse": 34, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:34", "text": "ary Ahitoba niteraka an\u2019 i Zadoka; ary Zadoka niteraka an\u2019 i Ahimaza; " }, { "verse": 35, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:35", "text": "ary Ahimaza niteraka an\u2019 i Azaria; ary Azaria niteraka an\u2019 i Johanana; " }, { "verse": 36, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:36", "text": "ary Johanana niteraka an\u2019 i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin\u2019 ny trano nataon\u2019 i Solomona tany Jerosalema); " }, { "verse": 37, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:37", "text": "ary Azaria niteraka an\u2019 i Amaria; ary Amaria niteraka an\u2019 i Ahitoba; " }, { "verse": 38, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:38", "text": "ary Ahitoba niteraka an\u2019 i Zadoka; ary Zadoka niteraka an\u2019 i Saloma; " }, { "verse": 39, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:39", "text": "ary Saloma niteraka an\u2019 i Hilkia; ary Hilkia niteraka an\u2019 i Azaria; " }, { "verse": 40, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:40", "text": "ary Azaria niteraka an\u2019 i Seraia; ary Seraia niteraka an\u2019 i Jozadaka; " }, { "verse": 41, "chapter": 5, "name": "I Chronicles 5:41", "text": "ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr\u2019 i Jehovah ho babon\u2019 i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:1", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:2", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Gersona: Libny sy Semey. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:3", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:4", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon\u2019 ny Levita araka ny rainy: " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:5", "text": "Avy amin\u2019 i Gersona: Libny no zanak\u2019 i Gersona, Jahata no zanak\u2019 i Libny, Zima no zanak\u2019 i Jahata, " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:6", "text": "Joa no zanak\u2019 i Zima, Ido no zanak\u2019 i Joa, Zera no zanak\u2019 Ido, Jeateray zanak\u2019 i Zera. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:7", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Kehata dia Aminadaba, Kora no zanakalahin\u2019 i Aminadaba, Asira no zakalahin\u2019 i Kora, " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:8", "text": "Elkana no zanakalahin\u2019 i Asira, Ebiasafa no zanakalahin\u2019 i Elkana, Asira no zanakalahin\u2019 i Ebiasafa, " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:9", "text": "Tahata no zanakalahin\u2019 i Asira, Oriela no zanakalahin\u2019 i Tahata, Ozia no zanakalahin\u2019 i Oriela, ary Saoly no zanakalahin\u2019 i Ozia. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:10", "text": "Ary ny zakalahin\u2019 i Elkana dia Amasay sy Ahimota. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:11", "text": "Ny amin\u2019 i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin\u2019 i Zofay, " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:12", "text": "Eliaba no zanakalahin\u2019 i Nahata, Jerohama no zanakalahin\u2019 i Eliaba, Elkana no zanakalahin\u2019 i Jerohama. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:13", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Samoela dia Vasny lahimatoa sy Abia. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:14", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Merary dia Maly, Libny no zanakalahin\u2019 i Maly, Semey no zanakalahin\u2019 i Libny, Oza no zanakalahin\u2019 i Semey, " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:15", "text": "Simea no zanakalahin\u2019 i Oza, Hagia no zanakalahin\u2019 i Simea, Asaba no zanakalahin\u2019 i Hagia. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:16", "text": "Ary izao no notendren\u2019 i Davida ho mpiventy hira tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara, " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:17", "text": "ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin\u2019 ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon\u2019 i Solomona ny tranon\u2019 i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy, " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:18", "text": "dia izao no nanompo mbamin\u2019 ny zanany: Tamin\u2019 ny zanakalahin\u2019 ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin\u2019 i Joela, zanakalahin\u2019 i Samoela, " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:19", "text": "zanakalahin\u2019 i Elkana, zanakalahin\u2019 i Jerohama, zanakalahin\u2019 i Eliala, zanakalahin\u2019 i Toa. " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:20", "text": "zanakalahin\u2019 i Zofa, zanakalahin\u2019 i Elkana, zanakalahin\u2019 i Mahata, zanakalahin\u2019 i Amasay, " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:21", "text": "zanakalahin\u2019 i Elkana, zanakalahin\u2019 i Joela, zanakalahin\u2019 i Azaria, zanakalahin\u2019 i Zefania, " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:22", "text": "zanakalahin\u2019 i Tahata, zanakalahin\u2019 i Asira, zanakalahin\u2019 i Ebiasafa, zanakalahin\u2019 i Kora, " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:23", "text": "zanakalahin\u2019 i Jizara, zanakalahin\u2019 i Kehata, zanakalahin\u2019 i Levy, zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:24", "text": "Ary Asafa rahalahiny, izay nitsangana teo amin\u2019 ny ankavanany, dia Asafa, zanakalahin\u2019 i Berekia, zanakalahin\u2019 i Simea, " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:25", "text": "zanakalahin\u2019 i Mikaela, zanakalahin\u2019 i Beseia, zanakalahin\u2019 i Malkia, " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:26", "text": "zanakalahin\u2019 i Etny, zanakalahin\u2019 i Zera, zanakalahin\u2019 i Adaia, " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:27", "text": "zanakalahin\u2019 i Etana, zanakalahin\u2019 i Zima, zanakalahin\u2019 i Simey, " }, { "verse": 28, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:28", "text": "zanakalahin\u2019 i Jahata, zanakalahin\u2019 i Gersona, zanakalahin\u2019 i Levy. " }, { "verse": 29, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:29", "text": "Ary ny rahalahin\u2019 ireo kosa, dia ny zanakalahin\u2019 i Merary, nitsangana teo amin\u2019 ny ankaviany: Etana, zanakalahin\u2019 i Kisy, zanakalahin\u2019 i Abdia, zanakalahin\u2019 i Maloka, " }, { "verse": 30, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:30", "text": "zanakalahin\u2019 i Hasabia, zanakalahin\u2019 i Amazia, zanakalahin\u2019 i Hilkia, " }, { "verse": 31, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:31", "text": "zanakalahin\u2019 i Amzy, zanakalahin\u2019 i Bany, zanakalahin\u2019 i Samera, " }, { "verse": 32, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:32", "text": "zanakalahin\u2019 i Maly, zanakalahin\u2019 i Mosy, zanakalahin\u2019 i Merary, zanakalahin\u2019 i Levy. " }, { "verse": 33, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:33", "text": "Ary ny Levita rahalahin\u2019 ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin\u2019 ny tabernakelin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 34, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:34", "text": "Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin\u2019 ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin\u2019 ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna indrindra sy hanao fanavotana ho an\u2019 ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 35, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:35", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin\u2019 i Eleazara, Abisoa no zanakalahin\u2019 i Finehasa, " }, { "verse": 36, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:36", "text": "Boky no zanakalahin\u2019 i Abisoa, Ozy no zanakalahin\u2019 i Boky, Zerahia no zanakalahin\u2019 i Ozy, " }, { "verse": 37, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:37", "text": "Meraiota no zanakalahin\u2019 i Zerahia, Amaria no zanakalahin\u2019 i Meraiota, Ahitoba no zanakalahin\u2019 i Amaria, " }, { "verse": 38, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:38", "text": "Zadoka no zanakalahin\u2019 i Ahitoba, Ahimaza no zanakalahin\u2019 i Zadoka. " }, { "verse": 39, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:39", "text": "Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin\u2019 ny zara-taniny avy, dia ny an\u2019 ny taranak\u2019 i Arona, avy amin\u2019 ny fokon\u2019 ny Kehatita; fa azy ny loka: " }, { "verse": 40, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:40", "text": "Nomeny azy Hebrona tao amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda sy ny tany manodidina azy. " }, { "verse": 41, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:41", "text": "Fa ny saha momba ny tan\u00e0na sy ny vohiny kosa nomeny an\u2019 i Kaleba, zanak\u2019 i Jefone. " }, { "verse": 42, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:42", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Arona nomeny an\u2019 i Hebrona, tan\u00e0na fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 43, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:43", "text": "ary Hilena sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 44, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:44", "text": "ary Asana sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy; " }, { "verse": 45, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:45", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin\u2019 ny folo no isan\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 izy mianakavy rehetra. " }, { "verse": 46, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:46", "text": "Ary ny an\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata sisa tamin\u2019 ny fokon\u2019 izany firenena izany dia tan\u00e0na folo araka ny filokana tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase. " }, { "verse": 47, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:47", "text": "Ary ny an\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona araka ny fokony dia tan\u00e0na telo ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isakara sy ny firenen\u2019 i Asera sy ny firenen\u2019 i Naftaly ary ny firenen\u2019 i Manase any Basana. " }, { "verse": 48, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:48", "text": "Ary ny loka azon\u2019 ny taranak\u2019 i Merary araka ny fokony dia tan\u00e0na roa ambini ny folo avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Robena sy ny firenen\u2019 i Gada ary ny firenen\u2019 i Zebolona. " }, { "verse": 49, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:49", "text": "Dia nomen\u2019 ny Zanak\u2019 i Isiraely ho an\u2019 ny Levita ireo tan\u00e0na ireo sy ny tany manodidina azy. " }, { "verse": 50, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:50", "text": "Ary nomeny tamin\u2019 ny filokana ireto tan\u00e0na tononina ireto avy tamin\u2019 ny firenena taranak\u2019 i Joda sy ny firenena taranak\u2019 i Simeona ary ny firenena taranak\u2019 i Benjamina. " }, { "verse": 51, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:51", "text": "Fa ny sasany amin\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata dia nahazo tan\u00e0na avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Efraima. " }, { "verse": 52, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:52", "text": "Ary nomeny azy Sekema, tan\u00e0na fiarovana, tao amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 53, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:53", "text": "ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 54, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:54", "text": "ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy; " }, { "verse": 55, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:55", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an\u2019 ny fokon\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata sisa. " }, { "verse": 56, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:56", "text": "Ary ny an\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase; " }, { "verse": 57, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:57", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 58, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:58", "text": "ary Ramota sy ny tany manodidina azy ary Anema sy ny tany manodidina azy; " }, { "verse": 59, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:59", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Asera dia Masala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 60, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:60", "text": "ary Hokoka sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny tany manodidina azy; " }, { "verse": 61, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:61", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy. " }, { "verse": 62, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:62", "text": "Ary ny an\u2019 ny sisa, taranak\u2019 i Merary, dia avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy; " }, { "verse": 63, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:63", "text": "ary any an-dafin\u2019 i Jordana, tandrifin\u2019 i Jeriko, atsinanan\u2019 i Jordana, koa dia avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 64, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:64", "text": "ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy; " }, { "verse": 65, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:65", "text": "ary avy tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Gada dia Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy " }, { "verse": 66, "chapter": 6, "name": "I Chronicles 6:66", "text": "ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:1", "text": " Ary ny zanakalahin\u2019 Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:2", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy, dia zanak\u2019 i Tola sady samy lehilahy mahery tamin\u2019 ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin\u2019 ny andron\u2019 i Davida. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:3", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin\u2019 i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:4", "text": "Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak\u2019 ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:5", "text": "Ary ny rahalahiny ao amin\u2019 ny fokon\u2019 ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan\u2019 izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:6", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:7", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:8", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019 i Bakera. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:9", "text": "Ary ny isany araka ny firazanany amin\u2019 ny fireneny, izay samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:10", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin\u2019 i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:11", "text": "Ireo zanakalahin\u2019 i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan\u2019 ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan\u2019 ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:12", "text": "Sopima koa sy Hopima, zanakalahin\u2019 Iry, ary Hosima, zanakalahin\u2019 i Ahera. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:13", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin\u2019 i Bila ireo. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:14", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an\u2019 i Matira, rain\u2019 i Gileada. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:15", "text": "Ary Makira naka vady ho an\u2019 i Hopima sy Sopima; ny anaran\u2019 ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran\u2019 ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy. " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:16", "text": "Ary Imaka, vadin\u2019 i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran\u2019 ny rahalahiny; ary ny anaran\u2019 ny zananilahy dia Olama sy Rakema. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:17", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin\u2019 i Gileada, zanakalahin\u2019 i Makira, zanakalahin\u2019 i Manase. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:18", "text": "Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an\u2019 Isehoda sy Abiezera ary Mahala. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:19", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:20", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin\u2019 i Sotela, Tahata no zanakalahin\u2019 i Bareda, Elada no zanakalahin\u2019 i Tahata, Tahata no zanakalahin\u2019 i Elada, " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:21", "text": "Zabada no zanakalahin\u2019 i Tahata, Sotela no zanakalahin\u2019 i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin\u2019 ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman\u2019 ondriny izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:22", "text": "Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:23", "text": "Ary nony niray tamin\u2019 ny vadiny izy, dia nanan\u2019 anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin\u2019 izany. " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:24", "text": "(Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an\u2019 i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera). " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:25", "text": "Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin\u2019 i Beria, Tela no zanakalahin\u2019 i Rasefa, Tahana no zanakalahin\u2019 i Tela, " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:26", "text": "Ladana no zanakalahin\u2019 i Tahana, Amihoda no zanakalahin\u2019 i Ladana, Elisama no zanakalahin\u2019 i Amihoda. " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:27", "text": "Nona no zanakalahin\u2019 i Elisama, Josoa no zanakalahin\u2019 i Nona. " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:28", "text": "Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 29, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:29", "text": "ary teo amin\u2019 ny sisin-tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin\u2019 ireo no nonenan\u2019 ny taranak\u2019 i Josefa, zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 30, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:30", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin\u2019 ireo. " }, { "verse": 31, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:31", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain\u2019 i Birzavita. " }, { "verse": 32, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:32", "text": "Ary Hebera niteraka an\u2019 i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin\u2019 ireo. " }, { "verse": 33, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:33", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin\u2019 i Jafleta. " }, { "verse": 34, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:34", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama. " }, { "verse": 35, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:35", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala. " }, { "verse": 36, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:36", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra " }, { "verse": 37, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:37", "text": "sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera. " }, { "verse": 38, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:38", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara. " }, { "verse": 39, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:39", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia. " }, { "verse": 40, "chapter": 7, "name": "I Chronicles 7:40", "text": "Ireo zanakalahin\u2019 i Asera rehetra ireo dia samy lohan\u2019 ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben\u2019 ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan\u2019 ny azo nalefa hanafika. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:1", "text": " Ary Benjamina niteraka an\u2019 i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo, " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:2", "text": "sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:3", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:4", "text": "sy Abisoa sy Namana sy Ahoa " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:5", "text": "sy Gera sy Sefofana ary Horama. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:6", "text": "Ary izao no zanakalahin\u2019 i Ehoda (izao no lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata, " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:7", "text": "Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an\u2019 i Oza sy Ahihoda izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:8", "text": "Ary Saharaima niteraka tao amin\u2019 ny tany Moaba taorian\u2019 ny nisaorany an\u2019 i Hosima sy Bara vadiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:9", "text": "Ary Hodesy vadiny no niterahany an\u2019 i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:10", "text": "sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:11", "text": "Ary Hosima no niterahany an\u2019 i Abitoba sy Elpala. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:12", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an\u2019 i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny; " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:13", "text": "Beria koa sy Sema, izay lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata; " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:14", "text": "ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:15", "text": "sy Zebadia sy Arada sy Adera " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:16", "text": "sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin\u2019 i Beria ireo), " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:17", "text": "ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:18", "text": "sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin\u2019 i Elpala ireo), " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:19", "text": "ary Jakima sy Zikry sy Zabdy " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:20", "text": "sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:21", "text": "sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin\u2019 i Simey ireo), " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:22", "text": "ary Jispana sy Hebera sy Eliala " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:23", "text": "sy Abdona sy Zikry sy Hanana " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:24", "text": "sy Hanania sy Elama sy Antotia " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:25", "text": "sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin\u2019 i Sasaka ireo), " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:26", "text": "ary Samseray sy Seharia sy Atalia " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:27", "text": "sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin\u2019 i Jerohama ireo). " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:28", "text": "Ireo no lohan\u2019 ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. " }, { "verse": 29, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:29", "text": "Ary tao Gibeona no nonenan\u2019 ny razamben\u2019 ny an\u2019 i Gibeona, ary ny anaran\u2019 ny vadiny dia Imaka, " }, { "verse": 30, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:30", "text": "ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba, " }, { "verse": 31, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:31", "text": "dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera. " }, { "verse": 32, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:32", "text": "Ary Miklota niteraka an\u2019 i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin\u2019 ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy. " }, { "verse": 33, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:33", "text": "Ary Nera niteraka an\u2019 i Kisy; ary Kisy niteraka an\u2019 i Saoly; ary Saoly niteraka an\u2019 i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. " }, { "verse": 34, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:34", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an\u2019 i Mika. " }, { "verse": 35, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:35", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza. " }, { "verse": 36, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:36", "text": "Ary Ahaza niteraka an\u2019 i Joada; ary Joada niteraka an\u2019 i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an\u2019 i Moza; " }, { "verse": 37, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:37", "text": "ary Moza niteraka an\u2019 i Binea; Rafa no zanakalahin\u2019 i Binea, Elasa no zanakalahin\u2019 i Rafa, Azela no zanakalahin\u2019 i Elasa " }, { "verse": 38, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:38", "text": "Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019 i Azela. " }, { "verse": 39, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:39", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy. " }, { "verse": 40, "chapter": 8, "name": "I Chronicles 8:40", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsip\u00ecka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak\u2019 i Benjamina. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:1", "text": " Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:2", "text": "Ary ny mponina taloha tamin\u2019 ny taniny sy ny tan\u00e0nany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:3", "text": "Ary tany Jerosalema no nonenan\u2019 ny sasany amin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase: " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:4", "text": "dia Otahy, zanak\u2019 i Amihoda, zanak\u2019 i Omry, zanak\u2019 Imry, zanak\u2019 i Bany, avy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Fareza, zanak\u2019 i Joda. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:5", "text": "Ary tamin\u2019 ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:6", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:7", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina dia Salo, zanak\u2019 i Mesolama, zanak\u2019 i Hodavia, zanak\u2019 i Hasenoa, " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:8", "text": "sy Jibnia, zanak\u2019 i Jerohama, sy Elaha, zanak\u2019 i Ozy, zanak\u2019 i Mikry, sy Mesolama, zanak\u2019 i Sefatia, zanak\u2019 i Regoela, zanak\u2019 i Jibnia; " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:9", "text": "ary ny isan\u2019 ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy. " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:10", "text": "Ary tamin\u2019 ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:11", "text": "sy Azaria, zanak\u2019 i Hilkia, zanak\u2019 i Mesolama, zanak\u2019 i Zadoka, zanak\u2019 i Meraiota, zanak\u2019 i Ahitoba, mpanapaka ny tranon\u2019 Andriamanitra, " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:12", "text": "ary Adaia, zanak\u2019 i Jerohama, zanak\u2019 i Pasora, zanak\u2019 i Malkia, ary Masay, zanak\u2019 i Adiela, zanak\u2019 i Jazera, zanak\u2019 i Mesolama, zanak\u2019 i Mesilemita, zanak\u2019 Imera. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:13", "text": "Ary ny rahalahin\u2019 ireo, izay samy lohan\u2019 ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin\u2019 ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon\u2019 Andriamanitra ireo. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:14", "text": "Ary tamin\u2019 ny Levita dia Semaia, zanak\u2019 i Hasoba, zanak\u2019 i Azrikama, zanak\u2019 i Hasabia, tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:15", "text": "ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak\u2019 i Mika, zanak\u2019 i Zikry, zanak\u2019 i Asafa, " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:16", "text": "ary Obadia, zanak\u2019 i Semaia, zanak\u2019 i Galala, zanak\u2019 i Jedotona, ary Berekia, zanak\u2019 i Asa, zanak\u2019 i Elkana, izay nonina tamin\u2019 ny vohitry ny Netotatita. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:17", "text": "Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany; " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:18", "text": "ambaraka ankehitriny dia ao amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin\u2019 ny tobin\u2019 ny taranak\u2019 i Levy. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:19", "text": "Ary Saloma, zanak\u2019 i Kore, zanak\u2019 i Abiasafa, zanak\u2019 i Kora, sy ny Kora\u00efta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin\u2019 ny fiandrasana ny varavaran\u2019 ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin\u2019 ny tobin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:20", "text": "Ary Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:21", "text": "Ary Zakaria, zanak\u2019 i Meselemia, no mpiandry ny varavaran\u2019 ny trano-lay fihaonana. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:22", "text": "Ary ny isan\u2019 ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin\u2019 ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin\u2019 ny vohiny avy; ary notendren\u2019 i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:23", "text": "Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah, dia ny trano-lay. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:24", "text": "Teo amin\u2019 ny lafiny efatra no nitoeran\u2019 ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:25", "text": "Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin\u2019 ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:26", "text": "Fa nanao tamin\u2019 ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan\u2019 ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian\u2019 ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon\u2019 Andriamanitra koa izy ireo. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:27", "text": "Ary manodidina ny tranon\u2019 Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:28", "text": "Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:29", "text": "Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka mas\u00ecna rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra. " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:30", "text": "Ary ny sasany tamin\u2019 ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana. " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:31", "text": "Ary Matatia, anankiray tamin\u2019 ny Levita, lahimatoan\u2019 i Saloma Kora\u00efta, no tonian\u2019 ny zavatra izay natao tamin\u2019 ny fanendasana. " }, { "verse": 32, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:32", "text": "Ary ny sasany tamin\u2019 ny rahalahiny, tamin\u2019 ny taranaky ny Kehatita, no tonian\u2019 ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata. " }, { "verse": 33, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:33", "text": "Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan\u2019 ny fianakaviana amin\u2019 ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin\u2019 ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin\u2019 izany raharaha izany andro aman\u2019 alina izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:34", "text": "Ireo dia lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. " }, { "verse": 35, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:35", "text": " Ary tao Gibeona no nonenan\u2019 i Jeiela, razamben\u2019 ny an\u2019 i Gibeona, ary ny anaran\u2019 ny vadiny dia Imaka; " }, { "verse": 36, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:36", "text": "ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba, " }, { "verse": 37, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:37", "text": "dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota. " }, { "verse": 38, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:38", "text": "Ary Miklota niteraka an\u2019 i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin\u2019 ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy. " }, { "verse": 39, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:39", "text": "Ary Nera niteraka an\u2019 i Kisy; ary Kisy niteraka an\u2019 i Saoly; ary Saoly niteraka an\u2019 i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. " }, { "verse": 40, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:40", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an\u2019 i Mika. " }, { "verse": 41, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:41", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza. " }, { "verse": 42, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:42", "text": "Ary Ahaza niteraka an\u2019 i Jara; ary Jara niteraka an\u2019 i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an\u2019 i Moza; " }, { "verse": 43, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:43", "text": "ary Moza niteraka an\u2019 i Binea; ary Refaia no zanakalahin\u2019 i Binea, Elasa no zanakalahin\u2019 i Refaia, Azela no zanakalahin\u2019 i Elasa. " }, { "verse": 44, "chapter": 9, "name": "I Chronicles 9:44", "text": "Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin\u2019 i Azela. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:1", "text": " Ary ny Filistina niady tamin\u2019 ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan\u2019 ny Filistina ny lehilahy amin\u2019 ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:2", "text": "Ary ny Filistina nanenjika fatratra an\u2019 i Saoly sy ny zanany, ka matin\u2019 ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin\u2019 i Saoly. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:3", "text": "Ary mafy ny ady tamin\u2019 i Saoly, dia nifanehatra tamin\u2019 ny mpandefa tsip\u00ecka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsip\u00ecka. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:4", "text": "Ka hoy Saoly tamin\u2019 ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain\u2019 i Saoly ny sabatra ka nianjerany. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:5", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin\u2019 ny sabany koa izy ka maty. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:6", "text": "Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:7", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely teny amin\u2019 ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin\u2019 ny tan\u00e0nany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:8", "text": "Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin\u2019 ny faty ny Filistina, dia nahita an\u2019 i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:9", "text": "Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin\u2019 ny sampiny sy ny olona. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:10", "text": "Dia napetrany tao an-tranon\u2019 ny andriamaniny ny fiadian\u2019 i Saoly, ary nohomboany teo amin\u2019 ny tempolin\u2019 i Dagona ny lohany. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:11", "text": "Ary nony ren\u2019 ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon\u2019 ny Filistina tamin\u2019 i Saoly, " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:12", "text": "dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin\u2019 i Saoly sy ny fatin\u2019 ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin\u2019 ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:13", "text": "Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin\u2019 i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin\u2019 i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin\u2019 izay nanao azy ho tsindrian-javatra " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "I Chronicles 10:14", "text": "ary noho ny tsy nanontaniany tamin\u2019 i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an\u2019 i Davida, zanak\u2019 i Jese, ny fanjakana. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:1", "text": " Ary dia nivory teo amin\u2019 i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:2", "text": "Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:3", "text": "Eny, tonga tao amin\u2019 ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan\u2019 i Jehovah; ary dia nanosotra an\u2019 i Davida ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Samoela. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:4", "text": "Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:5", "text": "Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin\u2019 i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak\u2019 i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izany). " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:6", "text": "Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:7", "text": "Dia nitoetra tao anatin\u2019 ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tan\u00e0nan\u2019 i Davida " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:8", "text": "Ary nandrafitra ny manodidina ny tan\u00e0na hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:9", "text": "Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, no nomba azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:10", "text": " Ary izao no lohan\u2019 ny lehilahy maherin\u2019 i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin\u2019 ny fanjakany, mbamin\u2019 ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:11", "text": "Dia izao no isan\u2019 ny lehilahy maherin\u2019 i Davida: Jasobeama, zanak\u2019 i Hakmony, lehiben\u2019 ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin\u2019 ny lefona ka naharingana azy tamin\u2019 ny ady indray mandeha monja. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:12", "text": "Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak\u2019 i Dodo Ahohita, anankiray amin\u2019 izy telo lahy mahery. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:13", "text": "Izy dia teo amin\u2019 i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:14", "text": "Fa nijanona teo afovoan\u2019 io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:15", "text": "Ary nisy telo lahy malaza tamin\u2019 ny telo-polo nidina nankeo amin\u2019 ny vatolampy ho any amin\u2019 i Davida tamin\u2019 ny zohin\u2019 i Adolama; ary ny miaramilan\u2019 ny Filistina nitoby tao amin\u2019 ny Lohasahan\u2019 ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:16", "text": "Ary Davida dia tao amin\u2019 ny batery fiarovana tamin\u2019 izay, ary ny miaramilan\u2019 ny Filistina kosa dia tao Betlehema. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:17", "text": "Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin\u2019 ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin\u2019 ny vavahady. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:18", "text": "Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny Filistina ka nanovo rano tao amin\u2019 ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin\u2019 ny vavahady, dia nentiny ho any amin\u2019 i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:19", "text": "Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan\u2019 Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran\u2019 ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin\u2019 ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon\u2019 ireo telo lahy mahery ireo. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:20", "text": "Ary Abisay, rahalahin\u2019 i Joaba, no lehibe tamin\u2019 izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin\u2019 ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin\u2019 izy telo lahy. " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:21", "text": "Eny, tamin\u2019 izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:22", "text": "Ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin\u2019 ny lavaka fantsakana tamin\u2019 ilay andro nisy oram-panala iny. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:23", "text": "Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-t\u00e0nan\u2019 ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon\u2019 ny mpanenona; nefa namorotsahan\u2019 i Benaia tamin\u2019 ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-t\u00e0nan\u2019 ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:24", "text": "Izany zavatra izany no nataon\u2019 i Benaia, zanak\u2019 i Joiada, ary tamin\u2019 izy telo lahy mahery dia izy no nalaza. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:25", "text": "Indro fa be voninahitra tamin\u2019 ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan\u2019 ny mpanolo-tsaina azy. " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:26", "text": "Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin\u2019 i Joaba, sy Elanana, zanak\u2019 i Dodo, avy any Betlehema, " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:27", "text": "sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:28", "text": "sy Ira, zanak\u2019 Ikesy Teko\u00efta, sy Abiezera Anatotita " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:29", "text": "sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:30", "text": "sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak\u2019 i Bana Netofatita, " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:31", "text": "sy Itahy, zanak\u2019 i Ribay avy any Gibean\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina, sy Benaia Piratonita " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:32", "text": "sy Horay, any amin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Gasy, sy Abiela Arbatita " }, { "verse": 33, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:33", "text": "sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita " }, { "verse": 34, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:34", "text": "sy ny zanak\u2019 i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak\u2019 i Sage Hararita, " }, { "verse": 35, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:35", "text": "sy Ahiama, zanak\u2019 i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak\u2019 i Ora, " }, { "verse": 36, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:36", "text": "sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita " }, { "verse": 37, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:37", "text": "sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak\u2019 i Ezbay, " }, { "verse": 38, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:38", "text": "sy Joela, rahalahin\u2019 i Natana, sy Mibara, zanak\u2019 i Hagry. " }, { "verse": 39, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:39", "text": "sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian\u2019 i Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, " }, { "verse": 40, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:40", "text": "sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita " }, { "verse": 41, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:41", "text": "sy Oria Hetita sy Zabada, zanak\u2019 i Ahelay, " }, { "verse": 42, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:42", "text": "sy Adina, zanak\u2019 i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa, " }, { "verse": 43, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:43", "text": "sy Hanana, zanak\u2019 i Maka, sy Josafata Mitnita " }, { "verse": 44, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:44", "text": "sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak\u2019 i Hotama Aroerita, " }, { "verse": 45, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:45", "text": "sy Jediaela, zanak\u2019 i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny " }, { "verse": 46, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:46", "text": "sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak\u2019 i Elnama, sy Jitma Moabita " }, { "verse": 47, "chapter": 11, "name": "I Chronicles 11:47", "text": "sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezoba\u00efta. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:1", "text": " Ary izao no nankany amin\u2019 i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an\u2019 i Saoly, zanak\u2019 i Kisy; ary isan\u2019 ny lehilahy mahery mpanampy amin\u2019 ny ady ireo " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:2", "text": "sady mpitondra tsip\u00ecka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsip\u00ecka. Isan\u2019 ny Benjamita, rahalahin\u2019 i Saoly, ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:3", "text": "Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak\u2019 i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak\u2019 i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:4", "text": "ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan\u2019 ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:5", "text": "sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:6", "text": "sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Kora\u00efta " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:7", "text": "ary Joela sy Zebadia, zanak\u2019 i Jerohama avy any Gedora. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:8", "text": "Ary tamin\u2019 ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an\u2019 i Davida ho amin\u2019 ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin\u2019 ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:9", "text": "Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo, " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:10", "text": "Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy, " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:11", "text": "Atahy no fahenina, Eliala no fahafito, " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:12", "text": "Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy, " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:13", "text": "Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin\u2019 ny folo. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:14", "text": "Ireo no isan\u2019 ny taranak\u2019 i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:15", "text": "Ireo no nita an\u2019 i Jordana tamin\u2019 ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin\u2019 ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:16", "text": "Ary nisy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina sy Joda nankany amin\u2019 i Davida tany amin\u2019 ny fiarovana. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:17", "text": "Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo at\u1ef3 amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon\u2019 ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:18", "text": "Ary Amasay, lehiben\u2019 ny mpanafika malaza, dia nampitenenin\u2019 ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida \u00f4, fa miandany aminao, ry zanak\u2019 i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an\u2019 ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin\u2019 i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:19", "text": "Ary nisy sasany tamin\u2019 ny Manase niala hanatona an\u2019 i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin\u2019 i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan\u2019 ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin\u2019 i Saoly tompony. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:20", "text": "Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin\u2019 ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin\u2019 ny Manase. " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:21", "text": "Ary ireo dia nanampy an\u2019 i Davida hamely ny antokon\u2019 ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin\u2019 ny miaramila. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:22", "text": "Fa tamin\u2019 izany nisy nankany amin\u2019 i Davida isan\u2019 andro isan\u2019 andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:23", "text": " Ary izao no isan\u2019 ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin\u2019 i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan\u2019 i Saoly ho azy araka ny tenin\u2019 i Jehovah: " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:24", "text": "Tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady. " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:25", "text": "Tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin\u2019 ny ady. " }, { "verse": 26, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:26", "text": "Tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Levy, enin-jato amby efatra arivo. " }, { "verse": 27, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:27", "text": "Ary Joiada dia lehiben\u2019 ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy; " }, { "verse": 28, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:28", "text": "ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy. " }, { "verse": 29, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:29", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina, havan\u2019 i Saoly, telo arivo; fa hatramin\u2019 izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin\u2019 i Saoly ihany. " }, { "verse": 30, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:30", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin\u2019 ny fianakaviany avy. " }, { "verse": 31, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:31", "text": "Ary tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an\u2019 i Davida. " }, { "verse": 32, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:32", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon\u2019 ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny. " }, { "verse": 33, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:33", "text": "Tamin\u2019 ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin\u2019 ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin\u2019 ny firaisan-kina. " }, { "verse": 34, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:34", "text": "Ary tamin\u2019 ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin\u2019 ampinga lehibe sy lefona. " }, { "verse": 35, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:35", "text": "Ary tamin\u2019 ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady. " }, { "verse": 36, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:36", "text": "Ary tamin\u2019 ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady. " }, { "verse": 37, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:37", "text": "Ary avy tany an-dafin\u2019 i Jordana, tamin\u2019 ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra. " }, { "verse": 38, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:38", "text": "Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an\u2019 i Davida amin\u2019 ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin\u2019 ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an\u2019 i Davida. " }, { "verse": 39, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:39", "text": "Ary tao amin\u2019 i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny. " }, { "verse": 40, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:40", "text": "Ary izay teo akaikiny koa hatramin\u2019 ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin\u2019 ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan\u2019 aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman\u2019 osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 41, "chapter": 12, "name": "I Chronicles 12:41", "text": "" } ] }, { "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:1", "text": " Ary Davida naka saina tamin\u2019 ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra, " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:2", "text": "Ka hoy Davida tamin\u2019 ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin\u2019 i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin\u2019 ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely rehetra ary amin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin\u2019 ny tan\u00e0nany sy ny tany manodidina azy, mba hivory at\u1ef3 amintsika; " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:3", "text": "Ary aoka ho entintsika at\u1ef3 amintsika indray ny fiaran\u2019 Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin\u2019 ny andron\u2019 i Saoly izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:4", "text": "Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason\u2019 ny olona rehetra izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:5", "text": "Dia novorin\u2019 i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin\u2019 i Hamata haka ny fiaran\u2019 Andriamanitra avy any Kiriata-jearima. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:6", "text": "Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran\u2019 i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin\u2019 ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:7", "text": "Ary nentiny tamin\u2019 ny sariety vaovao niala tao an-tranon\u2019 i Abinadaba ny fiaran\u2019 Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:8", "text": "Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:9", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 ny famoloan\u2019 i Kidona izy, dia naninjitra ny t\u00e0nany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran\u2019 ny omby izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:10", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 i Oza ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny fiara, dia maty teo anatrehan\u2019 Andriamanitra izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:11", "text": "Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan\u2019 i Jehovah an\u2019 i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran\u2019 izany tany izany mandraka androany. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:12", "text": "Ary Davida natahotra an\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran\u2019 Andriamanitra ho at\u1ef3 amiko? " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:13", "text": "Dia tsy nafindran\u2019 i Davida ho ao aminy ao an-tan\u00e0nan\u2019 i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon\u2019 i Obed-edoma Gatita. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "I Chronicles 13:14", "text": "Ary nipetraka telo volana tao amin\u2019 ny ankohonan\u2019 i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran\u2019 Andriamanitra; ka dia notahin\u2019 i Jehovah ny ankohonan\u2019 i Obed-edoma sy izay rehetra nananany. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:1", "text": " Ary Hirama, mpanjakan\u2019 i Tyro, naniraka olona tany amin\u2019 i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:2", "text": "Dia fantatr\u2019 i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin\u2019 ny Isiraely olony. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:3", "text": "Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:4", "text": "Ary izao no anaran\u2019 ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:5", "text": "sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:6", "text": "sy Noga sy Nafega sy Jafia " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:7", "text": "sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:8", "text": " Koa nony ren\u2019 ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren\u2019 i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:9", "text": "Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin\u2019 ny Lohasahan\u2019 ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:10", "text": "Ary Davida nanontany tamin\u2019 Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:11", "text": "Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian\u2019 Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran\u2019 izany tany izany hoe Bala-perazima. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:12", "text": "Dia nilaozan\u2019 ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain\u2019 i Davida nodorana tamin\u2019 ny afo. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:13", "text": "Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:14", "text": "Dia nanontany tamin\u2019 Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny hazo balsama. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:15", "text": "Ary raha toa mahare fingadongadon\u2019 olona eny amin\u2019 ny tendron\u2019 ny hazo balsama ianao, dia miaing\u00e0 amin\u2019 izay hiady; fa amin\u2019 izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:16", "text": "Ary dia nanao araka izay nandidian\u2019 Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan\u2019 ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "I Chronicles 14:17", "text": "Ary ny lazan\u2019 i Davida niely teny amin\u2019 ny tany rehetra; ary nataon\u2019 i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an\u2019 i Davida. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:1", "text": " Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an\u2019 ny fiaran\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:2", "text": "Ary tamin\u2019 izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran\u2019 Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin\u2019 i Jehovah hitondra ny fiaran\u2019 Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:3", "text": "Dia novorin\u2019 i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran\u2019 i Jehovah ho any amin\u2019 ny fitoerana izay namboariny ho azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:4", "text": "Ary novorin\u2019 i Davida ny taranak\u2019 i Arona sy ny Levita: " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:5", "text": "tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato; " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:6", "text": "tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato; " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:7", "text": "tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato; " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:8", "text": "tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato; " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:9", "text": "tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo, " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:10", "text": "tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin\u2019 ny folo amby zato. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:11", "text": "Ary Davida niantso an\u2019 i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba, " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:12", "text": "ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin\u2019 ilay namboariko ho azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:13", "text": "Satria tsy ianareo no tamin\u2019 ilay teo, dia nasian\u2019 i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:14", "text": "Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:15", "text": "Ary ny Levita nilanja ny fiaran\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 ny hazo, tahaka ny nandidian\u2019 i Mosesy araka ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:16", "text": "Ary ireo lehiben\u2019 ny Levita dia nasain\u2019 i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin\u2019 ny fifaliana. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:17", "text": "Ka dia notendren\u2019 ny Levita Hemana, zanak\u2019 i Joela; ary tamin\u2019 ny rahalahiny dia Asafa, zanak\u2019 i Berekia; ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary rahalahiny dia Etana, zanak\u2019 i Kosaia; " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:18", "text": "ary naman\u2019 ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:19", "text": "Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:20", "text": "Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin\u2019 ny Alamota. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:21", "text": "Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin\u2019 ny Seminita ho mpitarika. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:22", "text": "Ary Kenania, lehiben\u2019 ny Levita, no tonian\u2019 ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:23", "text": "Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin\u2019 ny fiara. " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:24", "text": "Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan\u2019 ny fiaran\u2019 Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin\u2019 ny fiara. " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:25", "text": "Ary Davida sy ny loholon\u2019 ny Isiraely mbamin\u2019 ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah avy tao an-tranon\u2019 i Obed-edoma tamin\u2019 ny fifaliana. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:26", "text": "Ary rehefa nomban\u2019 Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, dia namono vantotr\u2019 ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:27", "text": "Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian\u2019 ny fitondrana, mbamin\u2019 ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa. " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:28", "text": "Toy izany no nampakaran\u2019 ny Isiraely rehetra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny fihobiana sy ny feon\u2019 ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin\u2019 ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "I Chronicles 15:29", "text": "Ary nony tonga tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin\u2019 i Saoly, ka nahita an\u2019 i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:1", "text": "Ary nampiditra ny Fiaran\u2019 Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan\u2019 ny lay izay naorin\u2019 i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan\u2019 Andriamanitra izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:2", "text": "Ary nony voatitr\u2019 i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:3", "text": "Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an\u2019 ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:4", "text": " Ary ny Levita sasany notendren\u2019 i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:5", "text": "Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona; " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:6", "text": "Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:7", "text": "Tamin\u2019 izay andro izay no voalohan\u2019 ny nanendren\u2019 i Davida an\u2019 i Asafa sy ny rahalahiny hidera an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:8", "text": "Mider\u00e0 an\u2019 i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:9", "text": "Mihira ho Azy, mankalaz\u00e0 Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:10", "text": "Ataovy ho reharehanareo ny anarany mas\u00ecna; Aoka hifaly ny fon\u2019 izay mitady an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:11", "text": "Mitadiava an\u2019 i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:12", "text": "Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran\u2019 ny vavany, " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:13", "text": "Hianareo taranak\u2019 Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak\u2019 i Jakoba. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:14", "text": "Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:15", "text": "Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an\u2019 ny taranaka arivo mandimby, " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:16", "text": "Eny, dia ilay nataony tamin\u2019 i Abrahama sy ny fianianany tamin\u2019 Isaka, " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:17", "text": "Izay naoriny ho lal\u00e0na ho an\u2019 i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an\u2019 Isiraely, " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:18", "text": "Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin\u2019 ny famolaina; " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:19", "text": "Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao, " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:20", "text": "Ary nifindrafindra tany amin\u2019 ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin\u2019 ny firenen-kafa, " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:21", "text": "Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin\u2019 ireo hoe: " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:22", "text": "Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko. " }, { "verse": 23, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:23", "text": "Mihira ho an\u2019 i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan\u2019 andro isan\u2019 andro ny famonjeny mahafaly. " }, { "verse": 24, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:24", "text": "Ambarao any amin\u2019 ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin\u2019 ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. " }, { "verse": 25, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:25", "text": "Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin\u2019 ny andriamanitra rehetra. " }, { "verse": 26, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:26", "text": "Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra. " }, { "verse": 27, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:27", "text": "Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin\u2019 ny fitoerany. " }, { "verse": 28, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:28", "text": "Ry firenena, manomeza an\u2019 i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 29, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:29", "text": "Manomeza an\u2019 i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondr\u00e0 fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fihaingoana mas\u00ecna " }, { "verse": 30, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:30", "text": "Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika. " }, { "verse": 31, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:31", "text": "Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin\u2019 ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka. " }, { "verse": 32, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:32", "text": "Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy. " }, { "verse": 33, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:33", "text": "Dia hihoby eo anatrehan\u2019 i Jehovah amin\u2019 izay ny hazo an\u2019 ala; Fa avy hitsara ny tany Izy. " }, { "verse": 34, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:34", "text": "Mider\u00e0 an\u2019 i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony. " }, { "verse": 35, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:35", "text": "Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay \u00f4, ary ang\u00f2ny izahay, ka vonjeo tsy ho azon\u2019 ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao mas\u00ecna, ka ho reharehanay ny fiderana Anao. " }, { "verse": 36, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:36", "text": "Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin\u2019 ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 37, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:37", "text": "Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan\u2019 i Davida teo anoloan\u2019 ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan\u2019 andro, " }, { "verse": 38, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:38", "text": "ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak\u2019 i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa. " }, { "verse": 39, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:39", "text": "Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan\u2019 ny tabernakelin\u2019 i Jehovah teo amin\u2019 ny fitoerana avo any Gibeona, " }, { "verse": 40, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:40", "text": "hanatitra fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah marain-tsy hariva eo amin\u2019 ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely, " }, { "verse": 41, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:41", "text": "ary naman\u2019 ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin\u2019 ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an\u2019 i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. " }, { "verse": 42, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:42", "text": "Ary tao amin\u2019 i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an\u2019 izay mampaneno ary ny fomban\u2019 ny zava-manenon\u2019 Andriamanitra. Ary ny zanak\u2019 i Jedotona no mpiandry varavarana. " }, { "verse": 43, "chapter": 16, "name": "I Chronicles 16:43", "text": "Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:1", "text": " Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin\u2019 i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin\u2019 ny trano sedera, nefa ny fiaran\u2019 ny neken\u2019 i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay! " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:2", "text": "Ary hoy Natana tamin\u2019 i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:3", "text": "Nefa tamin\u2019 ny alin\u2019 iny ihany dia tonga tamin\u2019 i Natana ny tenin\u2019 Andriamanitra nanao hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:4", "text": "Andeha, lazao amin\u2019 i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako; " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:5", "text": "fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin\u2019 ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:6", "text": "Ary tamin\u2019 izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin\u2019 ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran\u2019 ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo? " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:7", "text": "Koa lazao amin\u2019 i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin\u2019 ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:8", "text": "Ary nomba anao tamin\u2019 izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran\u2019 izay lehibe ambonin\u2019 ny tany ianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:9", "text": "Ary hifidy tany ho an\u2019 ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin\u2019 ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:10", "text": "sy tahaka ny hatramin\u2019 ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:11", "text": "Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin\u2019 ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan\u2019 ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany; " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:12", "text": "dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:13", "text": "Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin\u2019 ilay nodiasanao; " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:14", "text": "fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin\u2019 ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:15", "text": "Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain\u2019 i Natana tamin\u2019 i Davida. " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:16", "text": "Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan\u2019 i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra \u00f4? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho? " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:17", "text": "Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra \u00f4; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin\u2019 ny taranaky ny mpanomponao hatramin\u2019 ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon\u2019 ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra \u00f4, ka nanandratra ahy. " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:18", "text": "Inona intsony no holazain\u2019 i Davida aminao ny amin\u2019 ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao. " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:19", "text": "Jehovah \u00f4, noho ny amin\u2019 ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. " }, { "verse": 20, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:20", "text": "Jehovah \u00f4, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren\u2019 ny sofinay. " }, { "verse": 21, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:21", "text": "Ary aiza moa no misy firenena et\u1ef3 an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan\u2019 Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin\u2019 ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan\u2019 ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta? " }, { "verse": 22, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:22", "text": "Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah \u00f4, no efa tonga Andriamaniny. " }, { "verse": 23, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:23", "text": "Ary ankehitriny, Jehovah \u00f4, ilay teny nolazainao ny amin\u2019 ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. " }, { "verse": 24, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:24", "text": "Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak\u2019 i Davida mpanomponao. " }, { "verse": 25, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:25", "text": "Fa Hianao, Andriamanitro \u00f4, efa nanambara tamin\u2019 ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao. " }, { "verse": 26, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:26", "text": "Ary noho izany, Jehovah \u00f4, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin\u2019 ny mpanomponao, " }, { "verse": 27, "chapter": 17, "name": "I Chronicles 17:27", "text": "dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah \u00f4, dia voatahy mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:1", "text": " Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:2", "text": "Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon\u2019 i Davida nandoa hetra ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:3", "text": "Dia resin\u2019 i Davida koa Hadarezera, mpanjakan\u2019 i Zoba akaikin\u2019 i Hamata, tamin\u2019 izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron\u2019 ny ony Eofrata. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:4", "text": "Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin\u2019 i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin\u2019 ny kalesy zato ihany no navelany. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:5", "text": "Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an\u2019 i Hadarezera, mpanjakan\u2019 i Zoba, dia nahafatesan\u2019 i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:6", "text": "Ary nisy namponenin\u2019 i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon\u2019 i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an\u2019 i Davida teny amin\u2019 izay rehetra nalehany. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:7", "text": "Ary nalain\u2019 i Davida ny ampinga volamena teny amin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:8", "text": "Ary tao Tibata sy Kona, tan\u00e0nan\u2019 i Hadarezera, no nahazoan\u2019 i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan\u2019 i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:9", "text": "Ary nony ren\u2019 i Toy, mpanjakan\u2019 i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an\u2019 i Hadarezera, mpanjakan\u2019 i Zoba, " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:10", "text": "dia naniraka an\u2019 i Hadorama zanany hankany amin\u2019 i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin\u2019 i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon\u2019 i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:11", "text": "Dia nohamasinin\u2019 i Davida mpanjaka ho an\u2019 i Jehovah koa izany mbamin\u2019 ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin\u2019 ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak\u2019 i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:12", "text": "Ary Abisay, zanak\u2019 i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin\u2019 ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:13", "text": "Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon\u2019 i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an\u2019 i Davida teny amin\u2019 izay rehetra nalehany. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:14", "text": " Ary Davida nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin\u2019 ny fahamarinana. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:15", "text": "Ary Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, no komandin\u2019 ny miaramila; ary Josafata, zanak\u2019 i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:16", "text": "Ary Zadoka, zanak\u2019 i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak\u2019 i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "I Chronicles 18:17", "text": "Ary Benaia, zanak\u2019 i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak\u2019 i Davida no lehibe tamin\u2019 izay nanolotra ny mpanjaka. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:1", "text": " Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:2", "text": "Ary hoy Davida: Hanisy soa an\u2019 i Hanona, zanak\u2019 i Nahasy, aho, fa soa no nataon\u2019 ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin\u2019 i Hanona tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Amonita ny mpanompon\u2019 i Davida hitsapa alahelo azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:3", "text": "Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak\u2019 i Amona tamin\u2019 i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan\u2019 i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan\u2019 ireo mpanompony ireo at\u1ef3 aminao? " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:4", "text": "Dia nosamborin\u2019 i Hanona ny mpanompon\u2019 i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin\u2019 ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:5", "text": "Ary dia nisy lasa nanambara tamin\u2019 i Davida izay natao tamin\u2019 ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin\u2019 ny somotrareo, vao mody ianareo. " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:6", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin\u2019 i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:7", "text": "Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin\u2019 i Medeba. Ary nivory ny taranak\u2019 Amona niala tany amin\u2019 ny tan\u00e0nany avy ka tamy hiady. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:8", "text": "Ary nony ren\u2019 i Davida izany, dia naniraka an\u2019 i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:9", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0na; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:10", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin\u2019 ireo voafantina tamin\u2019 ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin\u2019 ny Syriana. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:11", "text": "Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin\u2019 i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona ireo. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:12", "text": "Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak\u2019 i Amona, dia hovonjeko ianao; " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:13", "text": "mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an\u2019 ny firenentsika sy ireo tan\u00e0nan\u2019 Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:14", "text": "Ary nandroso hiady tamin\u2019 ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:15", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan\u2019 i Abisay, rahalahin\u2019 i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tan\u00e0na. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:16", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny Syriana fa resy teo anoloan\u2019 ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin\u2019 ny Ony; ary Sobaka, komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 i Hadarezera, no nitarika azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:17", "text": "Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an\u2019 i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin\u2019 ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:18", "text": "Fa vaky nandositra teo anoloan\u2019 ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin\u2019 ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin\u2019 ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin\u2019 ny miaramila. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "I Chronicles 19:19", "text": "Ary nony hitan\u2019 ireo nanoa an\u2019 i Hadarezera fa resy teo anoloan\u2019 ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin\u2019 i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak\u2019 i Amona intsony ny Syriana. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:1", "text": "Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin\u2019 ny andro fandehanan\u2019 ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin\u2019 ny taranak\u2019 i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an\u2019 i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an\u2019 i Raba, ka dia nandrava azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:2", "text": "Dia nesorin\u2019 i Davida ny satro-boninahitr\u2019 ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan\u2019 i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tan\u00e0na ka be dia be. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:3", "text": "Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin\u2019 ny tsofa sy tamin\u2019 ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon\u2019 i Davida tamin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:4", "text": " Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin\u2019 ny Filistina tao Gazera; tamin\u2019 izany no namonoan\u2019 i Sibekay Hosatita an\u2019 i Sipay, izay isan\u2019 ny taranaky ny Refa\u00efta, ka dia naetriny ny Filistina. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:5", "text": "Ary dia nisy ady tamin\u2019 ny Filistina indray ary Elanana, zanak\u2019 i Ja\u00efra, namono an\u2019 i Lamy, rahalahin\u2019 i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon\u2019 ny mpanenona. " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:6", "text": "Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan\u2019 ny rantsan-t\u00e0nany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan\u2019 ny taranaky ny Refa\u00efta. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:7", "text": "Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak\u2019 i Simea, rahalahin\u2019 i Davida. " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "I Chronicles 20:8", "text": "Ireo no taranaky ny Refa\u00efta tao Gata, ka matin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Davida sy ny tanan\u2019 ny mpanompony ireo. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:1", "text": " Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin\u2019 ny Isiraely ka nanome saina an\u2019 i Davida hanisa ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:2", "text": "Dia hoy Davida tamin\u2019 i Joaba sy tamin\u2019 ireo lehiben\u2019 ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento at\u1ef3 amiko ny isany mba ho fantatro. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:3", "text": "Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon\u2019 ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan\u2019 ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely? " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:4", "text": "Nefa tsy azon\u2019 i Joaba nolavina ny tenin\u2019 ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:5", "text": "Ary natolotr\u2019 i Joaba an\u2019 i Davida ny isan\u2019 ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin\u2019 ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:6", "text": "Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin\u2019 i Joaba ny tenin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:7", "text": "Ary tsy sitrak\u2019 Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:8", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin\u2019 izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:9", "text": "Ary hoy Jehovah tamin\u2019 i Gada mpahitan\u2019 i Davida: " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:10", "text": "Mandehana, ka lazao amin\u2019 i Davida hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:11", "text": "Ary Gada nankany amin\u2019 i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Mifidia: " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:12", "text": "Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan\u2019 ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr\u2019 i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah handringana eran\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin\u2019 Izay naniraka ahy. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:13", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon\u2019 izay t\u00e0nan\u2019 olona. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:14", "text": "Dia nasian\u2019 i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:15", "text": "Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin\u2019 ny loza ka nanao tamin\u2019 Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah nitsangana teo anilan\u2019 ny famoloan\u2019 i Araona Jebosita. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:16", "text": "Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah nitsangana teo anelanelan\u2019 ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an\u2019 i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon\u2019 ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana. " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:17", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro \u00f4, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin\u2019 ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin\u2019 ny areti-mandringana. " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:18", "text": "Ary Gada nasain\u2019 Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah hilaza amin\u2019 i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an\u2019 i Jehovah ao amin\u2019 ny famoloan\u2019 i Araona Jebosita. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:19", "text": "Koa dia niakatra Davida araka ny tenin\u2019 i Gada, izay nolazainy tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:20", "text": "Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin\u2019 izay. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:21", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an\u2019 i Davida, ary dia niala avy teo amin\u2019 ny famoloana izy ka niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:22", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 i Araona: Mba omeo ahy amin\u2019 izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an\u2019 i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan\u2019 ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka. " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:23", "text": "Fa hoy Araona tamin\u2019 i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra. " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:24", "text": "Fa hoy Davida mpanjaka tamin\u2019 i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an\u2019 i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin\u2019 izay azoko fotsiny. " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:25", "text": "Dia nomen\u2019 i Davida sekely volamena lanjan\u2019 enin-jato Araona ho vidin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:26", "text": "Ary Davida nanorina alitara teo ho an\u2019 i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an\u2019 i Jehovah izy ka novaliany tamin\u2019 ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin\u2019 ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. " }, { "verse": 27, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:27", "text": "Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin\u2019 ny tranony ny sabany. " }, { "verse": 28, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:28", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany, nony hitan\u2019 i Davida fa novalian\u2019 i Jehovah teo amin\u2019 ny famoloan\u2019 i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:29", "text": "Fa ny tabernakelin\u2019 i Jehovah izay nataon\u2019 i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin\u2019 ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay; " }, { "verse": 30, "chapter": 21, "name": "I Chronicles 21:30", "text": "nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan\u2019 izany hanontany amin\u2019 Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr\u2019 Ilay Anjelin\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:1", "text": "Dia hoy Davida: Eto no ho tranon\u2019 i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:2", "text": " Ary nasain\u2019 i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:3", "text": "Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon\u2019 ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:4", "text": "sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin\u2019 i Davida. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:5", "text": "Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an\u2019 i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin\u2019 ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:6", "text": "Ary niantso an\u2019 i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an\u2019 i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely, " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:7", "text": "ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamanitro; " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:8", "text": "saingy nisy tenin\u2019 i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny r\u00e0 efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an\u2019 ny anarako ianao, satria be ny r\u00e0 efa nalatsakao tamin\u2019 ny tany teo imasoko. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:9", "text": "Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin\u2019 ny androny. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:10", "text": "Izy no hanao trano ho an\u2019 ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakany amin\u2019 ny Isiraely mandrakizay. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:11", "text": "Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon\u2019 i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:12", "text": "Ary homen\u2019 i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan\u2019 i Jehovah Andriamanitrao. " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:13", "text": "Ary amin\u2019 izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankat\u00f2 ny lal\u00e0na sy ny fitsipika izay nandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy ho an\u2019 ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:14", "text": "Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon\u2019 i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:15", "text": "Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:16", "text": "Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsang\u00e0na ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:17", "text": "Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin\u2019 ny Isiraely hanampy an\u2019 i Solomona zanany hoe: " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:18", "text": "Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin\u2019 ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin\u2019 ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan\u2019 i Jehovah sy teo anoloan\u2019 ny olony. " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "I Chronicles 22:19", "text": "Koa ankehitriny ampitadiavo an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsang\u00e0na, ary manaova ny fitoerana mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah sy ny fanaka masin\u2019 Andriamanitra ho ao amin\u2019 ny trano izay hatao ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:1", "text": " Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:2", "text": "Ary novoriny ny lehiben\u2019 ny Isiraely rehetra mbamin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:3", "text": "Ary nisaina ny Levita hatramin\u2019 ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan\u2019 ny lehilahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:4", "text": "Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin\u2019 ireo dia ataoko ho tonian\u2019 ny asa ao an-tranon\u2019 i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara, " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:5", "text": "ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny zavatra namboariko hiderana Azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:6", "text": "Ary nozarazarain\u2019 i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin\u2019 i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary: " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:7", "text": "Tamin\u2019 ny Gersonita dia Ladana sy Simey. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:8", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:9", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin\u2019 ny fianakavian\u2019 i Ladana. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:10", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin\u2019 i Simey. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:11", "text": "Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:12", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:13", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho mas\u00ecna indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan\u2019 i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin\u2019 ny anarany mandrakizay. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:14", "text": "Nefa ny amin\u2019 i Mosesy, lehilahin\u2019 Andriamanitra, dia nisaina tamin\u2019 ny firenen\u2019 i Levy ihany ny zanany. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:15", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Mosesy dia Gersona sy Eliezera. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:16", "text": "Tamin\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Gersona dia Seboela no lohany. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:17", "text": "Ary tamin\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak\u2019 i Rehabia dia maro indrindra. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:18", "text": "Tamin\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Jizara dia Selomota no lohany. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:19", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy. " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:20", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:21", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin\u2019 i Maly dia Eleazara sy Kisy. " }, { "verse": 22, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:22", "text": "Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin\u2019 i Kisy havany no nanambady ireo. " }, { "verse": 23, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:23", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:24", "text": "Ireo no zanakalahin\u2019 i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon\u2019 i Jehovah, hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra. " }, { "verse": 25, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:25", "text": "Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an\u2019 ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay. " }, { "verse": 26, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:26", "text": "Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony. " }, { "verse": 27, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:27", "text": "Fa araka ny fara-tenin\u2019 i Davida dia nisaina hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita. " }, { "verse": 28, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:28", "text": "Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak\u2019 i Arona amin\u2019 ny fanompoana ao an-tranon\u2019 i Jehovah amin\u2019 ireo kianja sy efi-trano tao ary amin\u2019 ny fanadiovana ny zavatra mas\u00ecna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon\u2019 Andriamanitra, " }, { "verse": 29, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:29", "text": "ary amin\u2019 ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin\u2019 ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin\u2019 izay endasina amin\u2019 ny lapoely sy amin\u2019 izay vonton-diloilo ary amin\u2019 ny famarana sy ny fandrefesana rehetra, " }, { "verse": 30, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:30", "text": "ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an\u2019 i Jehovah, ary toy izany koa amin\u2019 ny hariva, " }, { "verse": 31, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:31", "text": "ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an\u2019 i Jehovah na amin\u2019 ny Sabata, na amin\u2019 ny voaloham-bolana, na amin\u2019 ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 32, "chapter": 23, "name": "I Chronicles 23:32", "text": "Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin\u2019 ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ary ny anjara-raharahany ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon\u2019 i Jehovah. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:1", "text": " Ary ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin\u2019 i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara; " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:2", "text": "fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:3", "text": "Ary Davida sy Zadoka, isan\u2019 ny taranak\u2019 i Eleazara, sy Ahimeleka, isan\u2019 ny taranak\u2019 Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy. " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:4", "text": "Ary ny lohany tamin\u2019 ireo, dia tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin\u2019 ny taranak\u2019 Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Eleazara dia enina ambin\u2019 ny folo no lohan\u2019 ny fianakaviana; ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 Itamara dia valo kosa no lohan\u2019 ny fianakaviana. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:5", "text": "Ary samy nozarazaraina tamin\u2019 ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy mas\u00ecna, dia mpifehy ho an\u2019 Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Eleazara, na ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 Itamara. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:6", "text": "Ary Semaia, zanak\u2019 i Netanela, mpanoratra anankiray tamin\u2019 ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak\u2019 i Abiatara, sy teo anatrehan\u2019 ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an\u2019 i Eleazara, ary iray kosa ho an\u2019 Itamara. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:7", "text": "Ny loka voalohany dia azon\u2019 i Joariba, ny faharoa an\u2019 i Jedaia, " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:8", "text": "ny fahatelo an\u2019 i Harima, ny fahefatra an\u2019 i Seorima, " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:9", "text": "ny fahadimy an\u2019 i Malkia, ny fahenina an\u2019 i Miamina, " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:10", "text": "ny fahafito an\u2019 i Hakoza, ny fahavalo an\u2019 i Abia, " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:11", "text": "ny fahasivy an\u2019 i Jesoa, ny fahafolo an\u2019 i Sekania. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:12", "text": "ny fahiraika ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Eliasiba, ny faharoa ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Jakima, " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:13", "text": "ny fahatelo ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Hopa, ny fahefatra ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Jesebaba, " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:14", "text": "ny fahadimy ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Bilga, ny fahenina ambin\u2019 ny folo an\u2019 Imera, " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:15", "text": "ny fahafito ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Hezira, ny fahavalo ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Hafizeza, " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:16", "text": "ny fahasivy ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Petahia, ny faharoa-polo an\u2019 i Jehezekela, " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:17", "text": "ny fahiraika amby roa-polo an\u2019 i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an\u2019 i Gamola, " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:18", "text": "ny fahatelo amby roa-polo an\u2019 i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an\u2019 i Mazia. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:19", "text": "Ireo avy no antokony amin\u2019 ny fanompoany izay idirany ao an-tranon\u2019 i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin\u2019 i Arona rainy, araka ny nandidian\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:20", "text": "Ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Levy sisa dia izao; Tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Amrama dia Sobaela; tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Sobaela dia Jedala. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:21", "text": "Ny amin\u2019 i Rehabia: tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Rehabia dia Jisia no voalohany. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:22", "text": "Tamin\u2019 ny Jizarita dia Selomota; tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Selomota dia Jahata. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:23", "text": "Ary ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra. " }, { "verse": 24, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:24", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Oziela dia Mika; tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Mika dia Samira; " }, { "verse": 25, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:25", "text": "ny rahalahin\u2019 i Mika dia Jisia; tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Jisia dia Zakaria. " }, { "verse": 26, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:26", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin\u2019 i Jazia dia Beno. " }, { "verse": 27, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:27", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Merary tamin\u2019 i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry. " }, { "verse": 28, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:28", "text": "Avy tamin\u2019 i Maly no nihavian\u2019 i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy. " }, { "verse": 29, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:29", "text": "Ny amin\u2019 i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela. " }, { "verse": 30, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:30", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy. " }, { "verse": 31, "chapter": 24, "name": "I Chronicles 24:31", "text": "Ary ireo dia mba niara-niloka tamin\u2019 ny rahalahiny, taranak\u2019 i Arona, teo anatrehan\u2019 i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:1", "text": " Ary ny taranak\u2019 i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan\u2019 i Davida sy ireo komandin\u2019 ny miaramila ho amin\u2019 ny fanompoana mba haminany amin\u2019 ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan\u2019 ny mpanao araka ny fanompoany avy: " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:2", "text": "Tamin\u2019 ny zanakalahin\u2019 i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak\u2019 i Asafa, nofehezin\u2019 i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan\u2019 ny mpanjaka azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:3", "text": "Tamin\u2019 i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin\u2019 i Jedotona rainy, izay naminany tamin\u2019 ny lokanga hidera sy hisaotra an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:4", "text": "Tamin\u2019 i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:5", "text": "Ireo rehetra ireo no zanak\u2019 i Hemana, mpahitan\u2019 ny mpanjaka ny amin\u2019 ny tenin\u2019 Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen\u2019 Andriamanitra zazalahy efatra ambin\u2019 ny folo sy zazavavy telo. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:6", "text": "Ireo rehetra ireo no fehin\u2019 ny rainy tamin\u2019 ny hira natao tao an-tranon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon\u2019 Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:7", "text": "Ary ny isany mbamin\u2019 ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an\u2019 i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:8", "text": "Ary nanao filokana ny amin\u2019 ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:9", "text": "Ary ny loka voalohany dia azon\u2019 i Josefa avy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Asafa; ny faharoa an\u2019 i Gedalia, izy mbamin\u2019 ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:10", "text": "ny fahatelo an\u2019 i Zakora, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:11", "text": "ny fahefatra an\u2019 i Jizry, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:12", "text": "ny fahadimy an\u2019 i Netania, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:13", "text": "ny fahenina an\u2019 i Bokia, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:14", "text": "ny fahafito an\u2019 i Jesarela, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:15", "text": "ny fahavalo an\u2019 i Jesaia, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:16", "text": "ny fahasivy an\u2019 i Matania, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:17", "text": "ny fahafolo an\u2019 i Simey, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:18", "text": "ny fahiraika ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Azarela, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:19", "text": "ny faharoa ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Hasabia, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 20, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:20", "text": "ny fahatelo ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Sobaela, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 21, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:21", "text": "ny fahefatra ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Matitia, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 22, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:22", "text": "ny fahadimy ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Jeremota, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 23, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:23", "text": "ny fahenina ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Hanania, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 24, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:24", "text": "ny fahafito ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Josbekasa, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 25, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:25", "text": "ny fahavalo ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Hanany, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 26, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:26", "text": "ny fahasivy ambin\u2019 ny folo an\u2019 i Maloty, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 27, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:27", "text": "ny faharoa-polo an\u2019 i Eliata, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 28, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:28", "text": "ny fahiraika amby roa-polo an\u2019 i Hotira, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 29, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:29", "text": "ny faharoa amby roa-polo an\u2019 i Gidalty, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 30, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:30", "text": "ny fahatelo amby roa-polo an\u2019 i Mahaziota, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo; " }, { "verse": 31, "chapter": 25, "name": "I Chronicles 25:31", "text": "ny fahefatra amby roa-polo an\u2019 i Romamti-ezera, izy mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin\u2019 ny folo. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:1", "text": " Ary ny amin\u2019 ny antokon\u2019 ny mpiandry varavarana: Tamin\u2019 ny Kora\u00efta dia Meselemia, zanak\u2019 i Kore, avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Asafa. " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:2", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra, " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:3", "text": "sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:4", "text": "Ary ny zanakalahin\u2019 i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy, " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:5", "text": "sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:6", "text": "Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin\u2019 ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:7", "text": "Ny zanakalahin\u2019 i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin\u2019 ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:8", "text": "Ireo rehetra ireo no avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Obed-edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin\u2019 ny fanompoany; roa amby enim-polo no an\u2019 i Obed-edoma. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:9", "text": "Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin\u2019 ny folo, samy lehilahy mahay avokoa. " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:10", "text": "Ary Hosa, tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany), " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:11", "text": "sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin\u2019 i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin\u2019 ny folo. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:12", "text": "Ireo lohan\u2019 ny tonian\u2019 ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin\u2019 ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:13", "text": "Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin\u2019 ny isam-bavahady. " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:14", "text": "Koa ny loka tamin\u2019 ny atsinanana dia azon\u2019 i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin\u2019 ny avaratra no azony. " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:15", "text": "An\u2019 i Obed-edoma ny atsimo, ary an\u2019 ny zanany ny trano firaketana. " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:16", "text": "An\u2019 i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin\u2019 ny vavahady Saleketa amin\u2019 ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana. " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:17", "text": "Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan\u2019 andro, ny atsimo nisy efatra isan\u2019 andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:18", "text": "Tany Parbara andrefana nisy efatra amin\u2019 ny lalana, ary roa tao Parbara. " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:19", "text": "Dia Ireo no antokon\u2019 ny mpiandry varavarana tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Kora sy ny taranak\u2019 i Merary. " }, { "verse": 20, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:20", "text": " Ary tamin\u2019 ny Levita dia Ahia no tonian\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:21", "text": "Ny taranak\u2019 i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita. " }, { "verse": 22, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:22", "text": "Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 23, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:23", "text": "Tamin\u2019 ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita " }, { "verse": 24, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:24", "text": "dia Seboela, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Gersona, zanak\u2019 i Mosesy, no tonian\u2019 ny rakitra. " }, { "verse": 25, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:25", "text": "Ary ny rahalahiny avy tamin\u2019 i Eliezera dia Rehabia, zanak\u2019 i Eliezera, sy Jesaia, zanak\u2019 i Rehabia, sy Jorama, zanak\u2019 i Jesaia, sy Zikry, zanak\u2019 i Jorama, ary Selomota, zanak\u2019 i Zikry. " }, { "verse": 26, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:26", "text": "Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian\u2019 ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin\u2019 i Davida mpanjaka sy ny lohan\u2019 ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin\u2019 ny miaramila. " }, { "verse": 27, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:27", "text": "Tamin\u2019 ny babo izay azony tamin\u2019 ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 28, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:28", "text": "Ary izay rehetra nohamasinin\u2019 i Samoela mpahita sy Saoly, zanak\u2019 i Kisy, sy Abnera, zanak\u2019 i Nera, sy Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. " }, { "verse": 29, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:29", "text": "Tamin\u2019 ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin\u2019 ny raharaha ivelany amin\u2019 ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara. " }, { "verse": 30, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:30", "text": "Ary tamin\u2019 ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin\u2019 ny Isiraely tany an-dafy andrefan\u2019 i Jordana ny amin\u2019 ny raharaha rehetra ho an\u2019 i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka. " }, { "verse": 31, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:31", "text": "Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin\u2019 ny taona fahefa-polo nanjakan\u2019 i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada) " }, { "verse": 32, "chapter": 26, "name": "I Chronicles 26:32", "text": "sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan\u2019 ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen\u2019 i Manase, ny amin\u2019 ny raharahan\u2019 Andriamanitra sy ny mpanjaka. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:1", "text": " Ary ny amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely araka ny isany, dia ny lohan\u2019 ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin\u2019 izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan\u2019 ny isan-tokony. " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:2", "text": "Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin\u2019 ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak\u2019 i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina; " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:3", "text": "isan\u2019 ny taranak\u2019 i Fareza izy sady lohan\u2019 ny mpifehy rehetra tamin\u2019 ny miaramila amin\u2019 ny volana voalohany. " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:4", "text": "Ary ny nifehy ny antokony ho amin\u2019 ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan\u2019 ny antokony; ary ny antokon\u2019 ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:5", "text": "Ny komandin\u2019 ny antokony fahatelo tamin\u2019 ny miaramila, ho amin\u2019 ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak\u2019 i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:6", "text": "Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin\u2019 izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan\u2019 ny antokony. " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:7", "text": "Ny fahefatra, ho amin\u2019 ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin\u2019 i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:8", "text": "Ny fahadimy, ho amin\u2019 ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:9", "text": "Ny fahenina, ho amin\u2019 ny volana fahenina, dia Ira, zanak\u2019 Ikesy Teko\u00efta; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:10", "text": "Ny fahafito, ho amin\u2019 ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:11", "text": "Ny fahavalo, ho amin\u2019 ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan\u2019 ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:12", "text": "Ny fahasivy, ho amin\u2019 ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan\u2019 ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 13, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:13", "text": "Ny fahafolo, ho amin\u2019 ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan\u2019 ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 14, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:14", "text": "Ny fahiraika ambin\u2019 ny folo, ho amin\u2019 ny volana fahiraika ambin\u2019 ny folo, dia Benaia Piratonita, isan\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 15, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:15", "text": "Ny faharoa ambin\u2019 ny folo, ho amin\u2019 ny volana faharoa ambin\u2019 ny folo, dia Helday Netofatita, isan\u2019 ny taranak\u2019 i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina. " }, { "verse": 16, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:16", "text": " Ary izao no lohan ny firenen\u2019 Isiraely: Tamin\u2019 ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin\u2019 i Zikry; tamin\u2019 ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin\u2019 i Maka; " }, { "verse": 17, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:17", "text": "tamin\u2019 ny Levita dia Hasabia, zanakalahin\u2019 i Kemoela; tamin\u2019 ny Aronita dia Zadoka; " }, { "verse": 18, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:18", "text": "tamin\u2019 ny Joda dia Eliho, izay isan\u2019 ny rahalahin\u2019 i Davida; tamin\u2019 ny Isakara dia Omry, zanakalahin\u2019 i Mikaela; " }, { "verse": 19, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:19", "text": "tamin\u2019 ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin\u2019 i Obadia; tamin\u2019 ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin\u2019 i Azriela; " }, { "verse": 20, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:20", "text": "tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima dia Hosea, zanakalahin\u2019 i Azazia; tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase dia Joela, zanakalahin\u2019 i Pedaia; " }, { "verse": 21, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:21", "text": "tamin\u2019 ny antsasaky ny firenen\u2019 i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin\u2019 i Zakaria; tamin\u2019 ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin\u2019 i Abnera; " }, { "verse": 22, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:22", "text": "tamin\u2019 ny Dana dia Azarela, zanakalahin\u2019 i Jerohama. Ireo no lohan\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 23, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:23", "text": "Nefa tsy nanisa ny hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho mid\u00ecna Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra Izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:24", "text": "Joaba, zanak\u2019 i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 izany, ka dia tsy voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 i Davida mpanjaka ny isany. " }, { "verse": 25, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:25", "text": " Ary ny tonian\u2019 ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak\u2019 i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin\u2019 ny tan\u00e0na, na tamin\u2019 ny vohitra, na tamin\u2019 ny tilikambo, dia Jonatana, zanak\u2019 i Ozia; " }, { "verse": 26, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:26", "text": "ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak\u2019 i Keloba; " }, { "verse": 27, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:27", "text": "ary ny tonian\u2019 ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian\u2019 ny divay tehirizina any amin\u2019 ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita; " }, { "verse": 28, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:28", "text": "ary ny tonian\u2019 ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian\u2019 ny diloilo tehirizina dia Joasy; " }, { "verse": 29, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:29", "text": "ary ny tonian\u2019 ny omby nandrasana tany Sar\u00f4na dia Sitray Sar\u00f4nita; ary ny tonian\u2019 ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak\u2019 i Adlay; " }, { "verse": 30, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:30", "text": "ary ny tonian\u2019 ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian\u2019 ny borikivavy dia Jedda Meronotita; " }, { "verse": 31, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:31", "text": "ary ny tonian\u2019 ny ondry aman\u2019 osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian\u2019 ny fananan\u2019 i Davida mpanjaka. " }, { "verse": 32, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:32", "text": "Ary Jonatana, rahalahin-drain\u2019 i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak\u2019 i Hakmony, dia teo amin\u2019 ny zanaky ny mpanjaka; " }, { "verse": 33, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:33", "text": "ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan\u2019 ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an\u2019 i Ahitofela dia Joiada, zanak\u2019 i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny mpanjaka dia Joaba. " }, { "verse": 34, "chapter": 27, "name": "I Chronicles 27:34", "text": "" } ] }, { "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:1", "text": " Ary novorin\u2019 i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin\u2019 ny Isiraely, dia ny lohan\u2019 ny firenena sy ny komandin\u2019 ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin\u2019 ny fananana rehetra an\u2019 ny mpanjaka sy ny zanany mbamin\u2019 ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:2", "text": "Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an\u2019 ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah sy ho an\u2019 ny fitoeran-tongotr\u2019 Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy; " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:3", "text": "nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an\u2019 ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-dr\u00e0. " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:4", "text": "Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin\u2019 ny ankohonan\u2019 ny raiko rehetra ho mpanjakan\u2019 ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda indray dia ny ankohonan\u2019 ny raiko no nofidiny; ary tamin\u2019 ny ankohonan\u2019 ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin\u2019 ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:5", "text": "Ary tamin\u2019 ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen\u2019 i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakan\u2019 i Jehovah hanjaka amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:6", "text": "Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:7", "text": "Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:8", "text": "Ary ankehitriny, eto anatrehan\u2019 ny Isiraely rehetra, fiangonan\u2019 i Jehovah, sy eto anatrehan\u2019 Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan\u2019 ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:9", "text": "Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin\u2019 ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:10", "text": "Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana mas\u00ecna; dia mahereza ka mahef\u00e0. " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:11", "text": "Ary Davida nanome an\u2019 i Solomona zanany ny sarin\u2019 ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana, " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:12", "text": "ary ny sarin\u2019 izay rehetra efa niseho tamin\u2019 ny fanahiny; dia ny amin\u2019 ny kianjan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra, " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:13", "text": "sy ho an\u2019 ny antokon\u2019 ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an\u2019 ny fanompoana rehetra ao an-tranon\u2019 i Jehovah sy ho an\u2019 ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:14", "text": "ary ny lanjan\u2019 ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan\u2019 ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra, " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:15", "text": "ary ny lanjan\u2019 ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan\u2019 ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy, " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:16", "text": "ary ny lanjan\u2019 ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin\u2019 ny volafotsy ho amin\u2019 ny latabatra volafotsy, " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:17", "text": "ary ny amin\u2019 ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin\u2019 ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy, " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:18", "text": "ary ny lanjan\u2019 ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin\u2019 ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:19", "text": "Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin\u2019 i Jehovah ahy tamin\u2019 ny soratra avy tamin\u2019 ny t\u00e0nany, izay at\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:20", "text": "Ary hoy koa Davida tamin\u2019 i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahef\u00e0; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "I Chronicles 28:21", "text": "Ary indreo ny antokon\u2019 ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon\u2019 Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin\u2019 ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankat\u00f2 ny didinao. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:1", "text": " Ary hoy Davida mpanjaka tamin\u2019 ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin\u2019 Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an\u2019 olona, fa ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitra. " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:2", "text": "Ary tamin\u2019 ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon\u2019 Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka. " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:3", "text": "Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon\u2019 Andriamanitro dia omeko ho an\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra, ho fanampin\u2019 ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly mas\u00ecna, izay volamena sy volafotsy ananako, " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:4", "text": "dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin\u2019 ny rindrin\u2019 ny isan-efi-trano, " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:5", "text": "ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon\u2019 ny tanan\u2019 ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an\u2019 i Jehovah anio? " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:6", "text": "Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan\u2019 ny fianakaviana sy ny lehiben\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin\u2019 ny mpitandrina ny raharahan\u2019 ny mpanjaka " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:7", "text": "ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy. " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:8", "text": "Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah, hotehirizin\u2019 i Jehiela Gersonita. " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:9", "text": "Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan\u2019 ireo, fa tamin\u2019 ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an\u2019 i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly. " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:10", "text": " Koa dia nisaotra an\u2019 i Jehovah teo anatrehan\u2019 ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah \u00f4, Andriamanitr\u2019 Isiraely razanay, hatramin\u2019 ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:11", "text": "Anao, Jehovah \u00f4, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy et\u1ef3 an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah \u00f4, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin\u2019 izy rehetra. " }, { "verse": 12, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:12", "text": "Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin\u2019 izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. " }, { "verse": 13, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:13", "text": "Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray \u00f4, sy midera ny anaranao be voninahitra. " }, { "verse": 14, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:14", "text": "Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin\u2019 ny Anao ihany no nanomezanay Anao. " }, { "verse": 15, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:15", "text": "Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay et\u1ef3 an-tany, ka tsy misy fanantenana. " }, { "verse": 16, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:16", "text": "Ry Jehovah Andriamanitray \u00f4, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an\u2019 ny anaranao mas\u00ecna ireto dia avy tamin\u2019 ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra. " }, { "verse": 17, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:17", "text": "Ary fantatro, ry Andriamanitro \u00f4, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin\u2019 ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin\u2019 ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao. " }, { "verse": 18, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:18", "text": "Jehovah \u00f4, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon\u2019 ny olonao mandrakizay izany fikasan\u2019 ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony; " }, { "verse": 19, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:19", "text": "ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lal\u00e0nao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:20", "text": "Ary hoy Davida tamin\u2019 ny fiangonana rehetra: Mas\u00ecna ianareo, misaora an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah sy ny mpanjaka. " }, { "verse": 21, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:21", "text": "Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah nony ampitson\u2019 iny, dia vantotr\u2019 ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak\u2019 ondry arivo mbamin\u2019 ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an\u2019 ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:22", "text": "Ary nihinana sy nisotro tamin\u2019 ny fifaliana be teo anatrehan\u2019 i Jehovah ny olona tamin\u2019 izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak\u2019 i Davida, sady nohosorany ho an\u2019 i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona. " }, { "verse": 23, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:23", "text": "Ary Solomona dia nipetraka tamin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 i Jehovah ho mpanjaka handimby an\u2019 i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 24, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:24", "text": "Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak\u2019 i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an\u2019 i Solomona mpanjaka. " }, { "verse": 25, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:25", "text": "Ary Jehovah nanandratra an\u2019 i Solomona indrindra teo imason\u2019 ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 26, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:26", "text": "Toy izany no nanjakan\u2019 i Davida, zanak\u2019 i Jese, tamin\u2019 ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 27, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:27", "text": "Ary ny andro nanjakany tamin\u2019 ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona. " }, { "verse": 28, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:28", "text": "Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:29", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Samoela mpahita sy ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Natana mpaminany ary ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Gada mpahita izany, " }, { "verse": 30, "chapter": 29, "name": "I Chronicles 29:30", "text": "mbamin\u2019 ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin\u2019 ny ary tamin\u2019 ny Isiraely sy tamin\u2019 ny fanjakana rehetra tamin\u2019 ny tany. " } ] } ] }, { "name": "II Chronicles", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:1", "text": " Ary Solomona, zanak\u2019 i Davida, dia nitombo hery tamin\u2019 ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:2", "text": "Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin\u2019 ny Isiraely, dia lohan\u2019 ny fianakaviana, " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:3", "text": "ka dia niara-niakatra ho any amin\u2019 ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an\u2019 Andriamanitra, ilay nataon\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah, tany an-efitra. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:4", "text": "Fa fiaran\u2019 Andriamanitra efa nampakarin\u2019 i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin\u2019 izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:5", "text": "Ary alitara varahina izay nataon\u2019 i Bezalila, zanak\u2019 i Ory zanak\u2019 i Hora, dia teo anoloan\u2019 ny tabernakelin\u2019 i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:6", "text": "Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin\u2019 ny alitara varahina teo anatrehan\u2019 i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:7", "text": "Tamin\u2019 ny alin\u2019 iny no nisehoan\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:8", "text": "Dia hoy Solomona tamin\u2019 Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin\u2019 i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:9", "text": "Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra \u00f4, aoka ho tanteraka teninao tamin\u2019 i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin\u2019 ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:10", "text": "Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao? " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:11", "text": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019 i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain\u2019 ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:12", "text": "dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan\u2019 ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:13", "text": "Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin\u2019 ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan\u2019 ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:14", "text": " Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin\u2019 ireny tan\u00e0na fitoeran\u2019 ny kalesy ary tao amin\u2019 ny mpanjaka tany Jerosalema. " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:15", "text": "Ary nataon\u2019 ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:16", "text": "Avy tany Egypta no nahazoan\u2019 i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin\u2019 ny mpandranton\u2019 ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:17", "text": "Ary ny vidin\u2019 ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Hetita sy ny mpanjakan\u2019 ny Syriana. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "II Chronicles 1:18", "text": " Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah sy lapa ho an\u2019 ny tenany. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:1", "text": "Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:2", "text": "Ary Solomona naniraka hankany amin\u2019 i Hirama, mpanjakan\u2019 i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin\u2019 i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao, " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:3", "text": "indro, izaho efa efa hanao trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin\u2019 ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin\u2019 ny fotoam-pivavahina voatendrin\u2019 i Jehovah Andriamanitray; ho adidin\u2019 ny Isiraely mandrakizay izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:4", "text": "Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:5", "text": "Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany? " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:6", "text": "Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin\u2019 ny olo-mahay zavatra izay at\u1ef3 amiko at\u1ef3 Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin\u2019 i Davida raiko. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:7", "text": "Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin\u2019 ny vahoakanao " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:8", "text": "mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:9", "text": "Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:10", "text": "Ary hoy Hirama, mpanjakan\u2019 i Tyro, tamin\u2019 ny taratasy izay nampanateriny ho any amin\u2019 i Solomona: Noho ny fitiavan\u2019 i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:11", "text": "Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an\u2019 i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an\u2019 i Jehovah sy lapa ho an\u2019 ny tenany izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:12", "text": "Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby, " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:13", "text": "zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin\u2019 izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin\u2019 ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin\u2019 itompokolahy Davida rainao Izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:14", "text": "Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho at\u1ef3 aminay mpanomponao; " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:15", "text": "Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin\u2019 ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:16", "text": "Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely araka ny nanisan\u2019 i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "II Chronicles 2:17", "text": "Ary ny fito alina tamin\u2019 ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:1", "text": " Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon\u2019 i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin\u2019 ny fitoerana nofidin\u2019 i Davida teo amin\u2019 ny famoloan\u2019 i Araona Jebosita. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:2", "text": "Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin\u2019 ny andro faharoa tamin\u2019 ny volana faharoa tamin\u2019 ny taona fahefatra nanjakany. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:3", "text": "Ary toy izao no nanorenan\u2019 i Solomona ny tranon\u2019 Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:4", "text": "Ary ny amin\u2019 ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan\u2019 ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:5", "text": "Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:6", "text": "Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:7", "text": "Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin\u2019 ny kerobima ny rindrina. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:8", "text": "Ary nanao ny efi-trano mas\u00ecna indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin\u2019 ny sakan\u2019 ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:9", "text": "Ary ny lanjan\u2019 ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:10", "text": "Ary tao amin\u2019 ny efi-trano mas\u00ecna indrindra dia nasiany sarin\u2019 ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:11", "text": "Ny halavan\u2019 ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin\u2019 ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin\u2019 ny elatry ny kerobima anankiray; " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:12", "text": "ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin\u2019 ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin\u2019 ny elatry ny kerobima anankiray. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:13", "text": "Nivelatra ny elatr\u2019 ireo kerobima ireo, ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin\u2019 ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:14", "text": "Ary izy nanao ny efitra lamba tamin\u2019 ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin\u2019 ny kerobima ny sorany. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:15", "text": "Ary nanao andry roa teo anoloan\u2019 ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:16", "text": "Ary nanao tongalika tao amin\u2019 ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon\u2019 ny andry ireo; ary nanao sarin\u2019 apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin\u2019 ny tongalika ireo. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "II Chronicles 3:17", "text": "Ary ny andry natsangany teo anoloan\u2019 ny tempoly, ny iray tamin\u2019 ny ankavanana, ary ny iray tamin\u2019 ny ankavia; ary ny anaran\u2019 ny teo amin\u2019 ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran\u2019 ny teo amin\u2019 ny ankavia kosa natao hoe Boaza. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:1", "text": "Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:2", "text": "Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben\u2019 ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:3", "text": "Ary teo ambanin\u2019 ny tavin-drano lehibe nisy sarin\u2019 omby manodidina azy, dia folo amin\u2019 ny iray hakiho manodidina. Roa an-dalana ny sarin\u2019 omby sady niara-natao an-idina tamin\u2019 ny tavin-drano. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:4", "text": "Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin\u2019 ny sarin\u2019 omby roa ambin\u2019 ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:5", "text": "Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin\u2019 ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:6", "text": "Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin\u2019 ny ankavanana, ary ny dimy tamin\u2019 ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan\u2019 ny mpisorona. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:7", "text": "Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin\u2019 ny tempoly, dimy teo amin\u2019 ny ankavanana, ary dimy teo amin\u2019 ny ankavia. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:8", "text": "Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin\u2019 ny tempoly, dimy teo amin\u2019 ny ankavanana, ary dimy teo amin\u2019 ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:9", "text": "Ary nanao ny kianjan\u2019 ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin\u2019 ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:10", "text": "Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin\u2019 ny ankavanana, dia teo amin\u2019 ny atsimo-atsinana. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:11", "text": "Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron\u2019 afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan\u2019 i Hirama ny asa izay nataony ho an\u2019 i Solomona mpanjaka ho amin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra: " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:12", "text": "dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon\u2019 ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon\u2019 ny andry avy, " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:13", "text": "ary ny sarin\u2019 ampongabendanitra efa-jato ho amin\u2019 ny harato roa, sarin\u2019 ampongabendanitra roa an-dalana ho amin\u2019 ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon\u2019 ny andry avy; " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:14", "text": "ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin\u2019 ny fitoerany; " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:15", "text": "ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin\u2019 omby roa ambin\u2019 ny folo; ambaniny. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:16", "text": "Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron\u2019 afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon\u2019 i Hiram-aby ho an\u2019 i Solomona mpanjaka ho amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny varahina manganohano. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:17", "text": "Teo amin\u2019 ny tany amoron\u2019 i Jordana no nanaovan\u2019 ny mpanjaka an-idina azy tamin\u2019 ny tanimanga teo anelanelan\u2019 i Sokota sy Zaretana. " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:18", "text": "Toy izany no nanaovan\u2019 i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan\u2019 ny varahina. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:19", "text": "Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran\u2019 ny mofo aseho, " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:20", "text": "ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan\u2019 ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara; " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:21", "text": "ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa; " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "II Chronicles 4:22", "text": "ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin\u2019 ny trano, dia ny mankao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin\u2019 ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:1", "text": "Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon\u2019 i Solomona ho amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah; ary nampidirin\u2019 i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin\u2019 i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:2", "text": " Ary tamin\u2019 izany dia novorin\u2019 i Solomona ny loholon\u2019 ny Isiraely sy ny lehiben\u2019 ny firenena rehetra, dia ny lohan\u2019 ny fianakavian\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah avy any Ziona, Tan\u00e0nan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:3", "text": "Dia nivory ho any amin\u2019 ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny andro firavoravoana tamin\u2019 ny volana fahafito. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:4", "text": "Ary tonga koa ny loholon\u2019 ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara, " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:5", "text": "dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka mas\u00ecna rehetra izay tao amin\u2019 ny lay. Nampakarin\u2019 ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:6", "text": "Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan\u2019 ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman\u2019 osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:7", "text": "Ary ny fiaran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah dia nampidirin\u2019 ny mpisorona ho ao amin\u2019 ny fitoerany tao anatin\u2019 ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana mas\u00ecna indrindra, teo ambanin\u2019 ny elatry ny kerobima; " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:8", "text": "fa nivelatra tambonin\u2019 ny fitoeran\u2019 ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:9", "text": "Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin\u2019 ny fiara eo anoloan\u2019 ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:10", "text": "Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin\u2019 ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon\u2019 i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin\u2019 i Jehovah nanao fanekena tamin\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely, tamin\u2019 ny nivoahany avy tany Egypta. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:11", "text": "Ary nony nivoaka avy tao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay), " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:12", "text": "ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin\u2019 ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan\u2019 ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra; " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:13", "text": "ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an\u2019 i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an\u2019 i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon\u2019 i Jehovah; " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "II Chronicles 5:14", "text": "ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr\u2019 i Jehovah ny tranon\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:1", "text": "Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin\u2019 ny aizim-pito Izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:2", "text": "Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:3", "text": "Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:4", "text": "ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin\u2019 i Davida raiko, ary ny t\u00e0nany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe: " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:5", "text": "Hatramin\u2019 ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tan\u00e0na nofidiko tamin\u2019 ny firenen\u2019 isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran\u2019 ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:6", "text": "fa nifidy an\u2019 i Jerosalema Aho hitoeran\u2019 ny anarako, ary nifidy an\u2019 i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:7", "text": "Ary efa mby tao am-pon\u2019 i Davida raiko ny hanao trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:8", "text": "Nefa hoy Jehovah tamin\u2019 i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an\u2019 ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:9", "text": "Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an\u2019 ny anarako. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:10", "text": "Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an\u2019 i Davida raiko aho ary mipetraka amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely tahaka ny efa nolazain\u2019 i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:11", "text": "Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran\u2019 ny faneken\u2019 i Jehovah, ilay nataony tamin\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:12", "text": "Ary Solomona nitsangana teo anoloan\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah teo anatrehan\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny t\u00e0nany " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:13", "text": "fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan\u2019 ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin\u2019 io izy ka nandohalika teo anatrehan\u2019 ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny t\u00e0nany manandrify ny lanitra " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:14", "text": "ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na et\u1ef3 an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an\u2019 ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin\u2019 ny fony rehetra, " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:15", "text": "sady efa nahatanteraka tamin\u2019 i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain\u2019 ny vavanao izany, dia notanterahin\u2019 ny tananao tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:16", "text": "Koa tanteraho amin\u2019 i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankat\u00f2 ny lal\u00e0ko tahaka ny nandehananao teo anatrehako. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:17", "text": "Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, mifona amina aho, aoka ho t\u00f2 anie ny teninao, izay nolazainao tamin\u2019 i Davida mpanomponao. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:18", "text": "Andriamanitra va dia honina amin\u2019 ny olona et\u1ef3 an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:19", "text": "Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan\u2019 ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro \u00f4, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon\u2019 ny mpanomponao eto anatrehanao, " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:20", "text": "mba hihiratan\u2019 ny masonao andro aman\u2019 alina amin\u2019 ity trano ity, dia amin\u2019 ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon\u2019 ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:21", "text": "Ary henoy ny fifonan\u2019 ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamel\u00e0 heloka. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:22", "text": "Raha misy olona manota amin\u2019 ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan\u2019 ny alitaranao amin\u2019 ity trano ity izy, " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:23", "text": "dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsar\u00e0 ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin\u2019 ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany. " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:24", "text": "Raha resy eo anoloan\u2019 ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin\u2019 ity trano ity izy, " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:25", "text": "dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamel\u00e0 ny fahotan\u2019 ny Isiraely olonao, ary ampodio amin\u2019 ny tany nomenao azy sy ny razany izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:26", "text": "Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan\u2019 ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin\u2019 ny fahotany, satria ampahorinao, " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:27", "text": "dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamel\u00e0 ny fahotan\u2019 ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin\u2019 ny taninao, izay nomenao ho lovan\u2019 ny olonao. " }, { "verse": 28, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:28", "text": "Raha misy mosary amin\u2019 ny tany, na areti-mandringana, na mainan\u2019 ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin\u2019 ny taniny, dia ao amin\u2019 ny tan\u00e0nany, na inona fahoriana, na inona aretina, " }, { "verse": 29, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:29", "text": "izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon\u2019 olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny t\u00e0nany manatrika ity trano ity izy, " }, { "verse": 30, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:30", "text": "dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamel\u00e0 heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon\u2019 ny zanak\u2019 olombelona,) " }, { "verse": 31, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:31", "text": "mba hatahorany Anao sy handehanany amin\u2019 ny lalanao amin\u2019 izay andro rehetra hiainany et\u1ef3 amin\u2019 ny tany nomenao ny razanay. " }, { "verse": 32, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:32", "text": "Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan\u2019 ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin\u2019 ny tany lavitra noho ny amin\u2019 ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, " }, { "verse": 33, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:33", "text": "dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan\u2019 ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin\u2019 ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon\u2019 ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin\u2019 ity trano nataoko ity. " }, { "verse": 34, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:34", "text": "Raha mivoaka hiady amin\u2019 ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an\u2019 ny anaranao izy, " }, { "verse": 35, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:35", "text": "dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy. " }, { "verse": 36, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:36", "text": "Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan\u2019 ny fahavalony, ka dia entin\u2019 ny mpamabo ho babo any amin\u2019 ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy, " }, { "verse": 37, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:37", "text": "ary mahatsiaro any amin\u2019 ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin\u2019 ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy, " }, { "verse": 38, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:38", "text": "ka dia miverina aminao amin\u2019 ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin\u2019 ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tan\u00e0na izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an\u2019 ny anaranao, " }, { "verse": 39, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:39", "text": "dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamel\u00e0 ny olonao izay efa nanota taminao. " }, { "verse": 40, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:40", "text": "Ankehitriny, ry Andriamanitro \u00f4, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin\u2019 ity fitoerana ity. " }, { "verse": 41, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:41", "text": "Koa ankehitriny mitsang\u00e0na, ry Jehovah Andriamanitra \u00f4, ho amin\u2019 ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran\u2019 ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra \u00f4, ary aoka ny olonao mas\u00ecna hifaly amin\u2019 ny soa. " }, { "verse": 42, "chapter": 6, "name": "II Chronicles 6:42", "text": "Ry Jehovah Andriamanitra \u00f4, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an\u2019 i Davida mpanomponao. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:1", "text": "Ary rehefa vita izany vavak\u2019 i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dr\u00e0, ka feno ny voninahitr\u2019 i Jehovah ny trano. " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:2", "text": "Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon\u2019 i Jehovah, satria feno ny voninahitr\u2019 i Jehovah ny tranony. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:3", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely rehetra ny nilatsahan\u2019 ny afo sy ny voninahitr\u2019 i Jehovah teo ambonin\u2019 ny trano, dia niankohoka tamin\u2019 ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an\u2019 i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:4", "text": "Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:5", "text": "Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman\u2019 osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan\u2019 ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:6", "text": "Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon\u2019 i Jehovah, izay nataon\u2019 i Davida mpanjaka hiderana an\u2019 i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain\u2019 i Davida nidera an\u2019 Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:7", "text": "Ary Solomona nanamasina ny afovoan\u2019 ny kianja izay teo anoloan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran\u2019 ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon\u2019 i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:8", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin\u2019 i Hamata ka hatramin\u2019 ny lohasahan-driak\u2019 i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:9", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:10", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahatelo amby roa-polo tamin\u2019 ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:11", "text": " Toy izany no nahavitan\u2019 i Solomona ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny lapan\u2019 andriana, ary samy nataon\u2019 i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon\u2019 i Jehovah sy tao an-dapany. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:12", "text": "Ary Jehovah niseho tamin\u2019 i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:13", "text": "Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:14", "text": "raha ny oloko izay nantsoina amin\u2019 ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin\u2019 ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:15", "text": "Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin\u2019 ity fitoerana ity; " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:16", "text": "fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran\u2019 ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:17", "text": "Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan\u2019 i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:18", "text": "dia hampitoeriko ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin\u2019 i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin\u2019 ny Isiraely ianao. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:19", "text": "Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:20", "text": "dia hongotako amin\u2019 ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an\u2019 ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin\u2019 ny firenena rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:21", "text": "Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan\u2019 izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon\u2019 i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity? " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "II Chronicles 7:22", "text": "Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin\u2019 andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:1", "text": " Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan\u2019 i Solomona ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny lapan\u2019 ny tenany, " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:2", "text": "dia namboariny ny tan\u00e0na izay nomen\u2019 i Hirama azy ka namponenany ny Zanak\u2019 isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:3", "text": "Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:4", "text": "Ary nanorina an\u2019 i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:5", "text": "Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tan\u00e0na mafy misy manda sy vavahady mihidy, " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:6", "text": "ary Baleta sy ny tan\u00e0na fitehirizana rehetra izay an\u2019 i Solomona sy ny tan\u00e0na rehetra fitoeran-kalesy sy ny tan\u00e0na fitoeran\u2019 ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian\u2019 i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin\u2019 ny tany nanjakany rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:7", "text": "Ary ny amin\u2019 ny olona sisa rehetra tamin\u2019 ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan\u2019 ny Isiraely " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:8", "text": "dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin\u2019 ny taniny, fa tsy naringan\u2019 ny Isiraely, no nampanaovin\u2019 i Solomona fanompoana mandraka androany. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:9", "text": "Fa ny Zanak\u2019 isiraely dia tsy mba nampanaovin\u2019 i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin\u2019 ny mpanafika malaza ary komandin\u2019 ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:10", "text": "Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin\u2019 i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:11", "text": "Ary Solomona nitondra ny zanakavavin\u2019 i Farao niakatra avy tany an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida ho ao amin\u2019 ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon\u2019 i Davida, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, fa mas\u00ecna izay efa nidiran\u2019 ny fiaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:12", "text": "Ary tamin\u2019 izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah teo ambonin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah, izay naoriny teo anoloan\u2019 ny lavarangana fidirana; " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:13", "text": "eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin\u2019 i Mosesy dia tamin\u2019 ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin\u2019 ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin\u2019 ny trano rantsan-kazo. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:14", "text": "Ary notendreny koa ny antokon\u2019 ny mpisorona araka ny nandaharan\u2019 i Davida rainy azy ho amin\u2019 ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin\u2019 ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan\u2019 ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan\u2019 andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin\u2019 ny isam-bavahady; fa izany no nandidian\u2019 i Davida lehilahin\u2019 Andriamanitra, azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:15", "text": "Ary tsy nialan\u2019 ireo ny didin\u2019 ny mpanjaka tamin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita na amin\u2019 inona na amin\u2019 inona, indrindra fa ny amin\u2019 ny rakitra. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:16", "text": "Toy izany no nanamboaran\u2019 i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin\u2019 ny andro nanorenany ny tranon\u2019 i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:17", "text": "Ary tamin\u2019 izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron\u2019 ny ranomasina any amin\u2019 ny tany Edoma, " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "II Chronicles 8:18", "text": "ary ny mpanompon\u2019 i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin\u2019 i Solomona mpanjaka izany. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:1", "text": " Ary ny mpanjakavavin\u2019 i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan\u2019 i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin\u2019 ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin\u2019 i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin\u2019 izay rehetra tao am-pony. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:2", "text": "Ary voavalin\u2019 i Solomona izy tamin\u2019 izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin\u2019 i Solomona, fa nambarany azy avokoa. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:3", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 ilay mpanjakavavin\u2019 i Sheba ny fahendren\u2019 i Solomona sy ny trano izay nataony " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:4", "text": "sy ny hanim-pihinany teo amin\u2019 ny latabany, sy ny fipetrahan\u2019 ny tandapany sy ny fitoeran\u2019 ny mpanompony mbamin\u2019 ny fitafian\u2019 ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian\u2019 ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah, dia talanjona ter\u1ef3 izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:5", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin\u2019 ny taniko ny amin\u2019 ny teninao sy ny fahendrenao. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:6", "text": "Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga at\u1ef3, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:7", "text": "Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:8", "text": "Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin\u2019 ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan\u2019 Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:9", "text": "Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an\u2019 ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen\u2019 ny mpanjakavavin\u2019 i Sheba an\u2019 i Solomona mpanjaka. " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:10", "text": "Ary ny mpanompon\u2019 i Hirama koa sy ny mpanompon\u2019 i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:11", "text": "Ary ny hazo almoga dia nataon\u2019 ny mpanjaka ambaratonga mankamin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny lapan\u2019 andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an\u2019 ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:12", "text": "Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin\u2019 i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin\u2019 ny nentiny ho an\u2019 ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin\u2019 ny taniny izy mbamin\u2019 ny mpanompony. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:13", "text": " Ary ny lanjan\u2019 ny volamena izay tonga tao amin\u2019 i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato, " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:14", "text": "afa-tsy izay nentin\u2019 ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan\u2019 i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:15", "text": "Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin\u2019 ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin\u2019 ny ampinga lehibe iray. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:16", "text": "Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin\u2019 ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin\u2019 ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin\u2019 ny trano Alan\u2019 i Libanona lreo. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:17", "text": "Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:18", "text": "Nisy ambaratonga enina amin\u2019 ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin\u2019 ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin\u2019 ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin\u2019 ny fitehenan-tanana; " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:19", "text": "ary nisy sarin-diona roa ambin\u2019 ny folo teo an-daniny roa teo amin\u2019 ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin\u2019 ny fanjakana rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:20", "text": "Ary ny fisotroan\u2019 i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin\u2019 ny trano Alan\u2019 i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin\u2019 ny andron\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:21", "text": "Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin\u2019 ny mpanompon\u2019 i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian\u2019 ny sambon\u2019 i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:22", "text": "Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:23", "text": "Ary ny mpanjaka rehetra ambonin\u2019 ny tany nitady hahita ny tavan\u2019 i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon\u2019 Andriamanitra tao am-pony. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:24", "text": "Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:25", "text": "Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran\u2019 ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin\u2019 ireo tan\u00e0na fitoeran-kalesy sy tao amin\u2019 ny mpanjaka tany Jerosalema. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:26", "text": "Ary nanjaka tamin\u2019 ny mpanjaka rehetra hatramin\u2019 ny Ony ka hatramin\u2019 ny tanin\u2019 ny Filistina ary hatramin\u2019 ny sisin\u2019 i Egypta izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:27", "text": "Ary nataon\u2019 ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:28", "text": "Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin\u2019 ny tany rehetra koa Solomona. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:29", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra va izany ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Natana mpaminany sy amin\u2019 ny faminanian\u2019 i Ahia Silonita sy amin\u2019 ny fahitan\u2019 Ido mpahita ny amin\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata? " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:30", "text": "Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin\u2019 ny Isiraely rehetra tany Jerosalema. " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "II Chronicles 9:31", "text": "Ary Solomona lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:1", "text": " Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan\u2019 ny Isiraely rehetra hampanjaka azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:2", "text": "Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan\u2019 i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:3", "text": "Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:4", "text": "Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:5", "text": "Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa at\u1ef3 amiko indray. Dia lasa ny olona. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:6", "text": "Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin\u2019 ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan\u2019 i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka? " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:7", "text": "Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin\u2019 ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:8", "text": "Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen\u2019 ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin\u2019 ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe: " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:9", "text": "Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay? " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:10", "text": "Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin\u2019 ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan\u2019 ny raiko; " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:11", "text": "koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan\u2019 ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:12", "text": "Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin\u2019 ny andro fahatelo, araka ilay nolazain\u2019 ny mpanjaka hoe: Mankanesa at\u1ef3 amiko indray amin\u2019 ny andro fahatelo. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:13", "text": "Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin\u2019 ny olona, fa nand\u00e0 ny hevitra nomen\u2019 ireo zoki-olona azy " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:14", "text": "ka niteny taminy araka ny hevitra nomen\u2019 ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan\u2019 ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:15", "text": "Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin\u2019 Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an\u2019 i Ahia Silonita tamin\u2019 i Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:16", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin\u2019 i Davida? Tsy manana lova amin\u2019 ny zanak\u2019 i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida \u00f4. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:17", "text": "Fa ny Zanak\u2019 isiraely izay nonina tany an-tan\u00e0nan\u2019 ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:18", "text": "Ary dia naniraka an\u2019 i Adorama, komandin\u2019 ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak\u2019 isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin\u2019 ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "II Chronicles 10:19", "text": "Ka dia niodina tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida ny Isiraely mandraka androany. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:1", "text": " Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak\u2019 i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin\u2019 ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:2", "text": "Kanjo kosa ny tenin\u2019 i Jehovah tonga tamin\u2019 i Semaia, lehilahin\u2019 Andriamanitra, ka nanao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:3", "text": "Mitenena amin-dRehoboama, zanak\u2019 i Solomona, mpanjakan\u2019 ny Joda, sy amin\u2019 ny Isiraely rehetra amin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:4", "text": "Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Aza mandeha hiady amin\u2019 ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin\u2019 i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an\u2019 i Jeroboama. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:5", "text": "Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tan\u00e0na mimanda tany Joda. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:6", "text": "Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:7", "text": "sy Beti-zora sy Soko sy Adolama " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:8", "text": "sy Gata sy Maresa sy Zifa " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:9", "text": "sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:10", "text": "sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tan\u00e0na mimanda ao amin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:11", "text": "Ary nanamafy ny tan\u00e0na mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:12", "text": "Ary tamin\u2019 ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:13", "text": "Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin\u2019 ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin\u2019 ny fari-taniny avy. " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:14", "text": "Fa ny Levita nandao ny tan\u00e0nany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:15", "text": "fa nanendry mpisorona ho amin\u2019 ny fitoerana avo sy ho an\u2019 ny Se\u00efrima ary ho an\u2019 ny ombilahy kely izay nataony). " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:16", "text": "Ary na iza na iza tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:17", "text": "Ka dia nampahery ny fanjakan\u2019 ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak\u2019 i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Davida sy Solomona telo taona izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:18", "text": "Ary Rehoboama naka an\u2019 i Mahalota, zanakavavin\u2019 i Jerimota, zanak\u2019 i Davida, sy Abihaila, zanakavavin\u2019 i Eliaba, zanak\u2019 i Jese, ho vadiny, " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:19", "text": "izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:20", "text": "Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin\u2019 i Absaloma, izay niteraka an\u2019 i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:21", "text": "Ary Rehoboama tia an\u2019 Imaka, zanakavavin\u2019 i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin\u2019 ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo). " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:22", "text": "Ary Abia, zanakalahin\u2019 Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "II Chronicles 11:23", "text": "Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:1", "text": "Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan\u2019 i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:2", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan\u2019 i Egypta, hamely an\u2019 i Jerosalema, fa nivadika tamin\u2019 i Jehovah ny mponina tany, " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:3", "text": "ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:4", "text": "Dia nahafaka ny tan\u00e0na mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:5", "text": "Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin\u2019 i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Sisaka. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:6", "text": "Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:7", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin\u2019 i Semaia indray ny tenin\u2019 i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin\u2019 i Jerosalema avy amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Sisaka ny fahatezerako. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:8", "text": "Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin\u2019 ny fanjakana hafa. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:9", "text": "Dia niakatra Sisaka, mpanjakan\u2019 i Egypta, hamely an\u2019 i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny rakitry ny tranon\u2019 ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:10", "text": "Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon\u2019 ireny ka nanolotra azy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpiambina, izay niambina ny varavaran\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:11", "text": "Ary na oviana na oviana no nidiran\u2019 ny mpanjaka tao an-tranon\u2019 i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon\u2019 ny mpiambina indray. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:12", "text": "Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran\u2019 i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:13", "text": "Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:14", "text": "Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:15", "text": "Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin\u2019 ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "II Chronicles 12:16", "text": "Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona fahavalo ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan\u2019 i Abia tamin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:2", "text": "Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin\u2019 i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:3", "text": "Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:4", "text": "Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra: " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:5", "text": "Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an\u2019 i Davida mandrakizay ny fanjakan\u2019 ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin\u2019 ny fanekena nasiantsira. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:6", "text": "Nefa kosa Jeroboama, zanak\u2019 i Nebata, mpanompon\u2019 i Solomona, zanak\u2019 i Davida, nitsangana ka niodina tamin\u2019 ny tompony. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:7", "text": "Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak\u2019 Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:8", "text": "Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan\u2019 i Jehovah, izay eo an-t\u00e0nan\u2019 ny taranak\u2019 i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon\u2019 i Jeroboama ho andriamanitrareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:9", "text": "Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron\u2019 i Jehovah, dia ny taranak\u2019 i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon\u2019 ny firenena amin\u2019 ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr\u2019 ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin\u2019 ireo tsi-Andriamanitra. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:10", "text": "Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an\u2019 i Jehovah, dia ny taranak\u2019 i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany; " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:11", "text": "ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an\u2019 i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin\u2019 ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin\u2019 ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain\u2019 i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:12", "text": "Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak\u2019 isiraely \u00f4, aza miady amin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:13", "text": "Fa nasain\u2019 i Jeroboama nanompirana no fandehan\u2019 ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan\u2019 ny Joda, ary ny otrika teo ivohony. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:14", "text": "Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin\u2019 i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:15", "text": "Dia nihoby ny lehilahy amin\u2019 ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an\u2019 i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan\u2019 i Abia sy ny Joda. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:16", "text": "Ary ny Zanak\u2019 isiraely nandositra niala teo anoloan\u2019 ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-t\u00e0nany, " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:17", "text": "ka nahafatesan\u2019 i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin\u2019 ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:18", "text": "Toy izany no nampietrena ny Zanak\u2019 isiraely fahizay; ary ny taranak\u2019 i Joda no nahery, satria niankina tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:19", "text": "Ary Abia nanenjika an\u2019 i Jeroboama ka nahazo ny tan\u00e0nany, dia Betela mbamin\u2019 ny zana-bohiny sy Jesana mbamin\u2019 ny zana-bohiny ary Efrona mbamin\u2019 ny zana-bohiny. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:20", "text": "Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin\u2019 ny andron\u2019 i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:21", "text": "Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin\u2019 ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin\u2019 ny folo. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:22", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Abia sisa mbamin\u2019 ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 Ido mpaminany. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "II Chronicles 13:23", "text": " Ary Abia lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao an-tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin\u2019 ny andron\u2019 i Asa dia nandry folo taona ny tany. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:1", "text": "Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitra; " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:2", "text": "fa nandrava ny alitaran\u2019 ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:3", "text": "Ary nandidy ny Joda hitady an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankat\u00f2 ny lal\u00e0na sy ny didy. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:4", "text": "Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an\u2019 ny masoandro teny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:5", "text": "Ary nanao tan\u00e0na mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin\u2019 izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:6", "text": "Dia hoy izy tamin\u2019 ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an\u2019 i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin\u2019 ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:7", "text": "Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin\u2019 ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsip\u00ecka avy amin\u2019 ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa. " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:8", "text": "Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin\u2019 ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa. " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:9", "text": "Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin\u2019 i Maresa izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:10", "text": "Ary Asa nitaraina tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah \u00f4, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian\u2019 ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray \u00f4, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin\u2019 ireto olona ireto. Jehovah \u00f4. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao. " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:11", "text": "Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan\u2019 i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny. " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:12", "text": "Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan\u2019 i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan\u2019 ny Joda babo betsaka. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:13", "text": "Ary namely ny tan\u00e0na rehetra manodidina an\u2019 i Gerara izy; fa ny fahatahorana an\u2019 i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao. " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "II Chronicles 14:14", "text": "Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman\u2019 osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:1", "text": " Ary ny Fanahin\u2019 Andriamanitra tonga tamin\u2019 i Azaria, zanak\u2019 i Odeda; " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:2", "text": "ary dia nivoaka hitsena an\u2019 i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:3", "text": "Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an\u2019 Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lal\u00e0na. " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:4", "text": "Fa raha niverina tamin\u2019 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:5", "text": "Ary tamin\u2019 izany dia tsy nisy fiadanana ho an\u2019 izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:6", "text": "Ary nifandringana ny firenena sy ny tan\u00e0na, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin\u2019 ny fahoriana rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:7", "text": "Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo. " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:8", "text": "Ary raha ren\u2019 i Asa izany teny izany sy ny faminanian\u2019 i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin\u2019 ny tan\u00e0na izay azony tany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima, sady nanavao ny alitaran\u2019 i Jehovah izay teo anoloan\u2019 ny lavarangana fidirana amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:9", "text": "Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin\u2019 ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin\u2019 ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:10", "text": "Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin\u2019 ny volana fahatelo tamin\u2019 ny taona fahadimy ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Asa. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:11", "text": "Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman\u2019 osy fito arivo. " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:12", "text": "Ary nanao fanekena hitady an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin\u2019 ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:13", "text": "ka na iza na iza tsy mety mitady an\u2019 i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy. " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:14", "text": "Ary nianiana ho an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin\u2019 ny trompetra sy ny anjomara izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:15", "text": "Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin\u2019 ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an\u2019 i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin\u2019 ny manodidina fahizay. " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:16", "text": "Ary na dia Imaka, renin\u2019 i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an\u2019 ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin\u2019 ny lohasahan-driaka Kidrona. " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:17", "text": "Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin\u2019 ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon\u2019 i Asa tamin\u2019 ny androny rehetra. " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:18", "text": "Ary nampidiriny ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin\u2019 izay nohamasinin\u2019 ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka. " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "II Chronicles 15:19", "text": "Ary tsy nisy ady intsony hatramin\u2019 ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan\u2019 i Asa. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:1", "text": " Tamin\u2019 ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan\u2019 i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an\u2019 i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:2", "text": "Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny tranon\u2019 ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin\u2019 i Beni-hadada, mpanjakan\u2019 i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:3", "text": "Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin\u2019 ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin\u2019 i Basa, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, mba hialany amiko. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:4", "text": "Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin\u2019 i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin\u2019 ny miaramilany hamely ny tan\u00e0nan\u2019 ny Isiraely; dia nandrava an\u2019 Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Naftaly izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:5", "text": "Ary nony ren\u2019 i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an\u2019 i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:6", "text": "Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin\u2019 ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin\u2019 i Basa, ka nentiny nanamboatra an\u2019 i Geba sy Mizpa. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:7", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany dia nankeo amin\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria fa tsy niankina tamin\u2019 i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:8", "text": "Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin\u2019 i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:9", "text": "Fa ny mason\u2019 i Jehovah mijery eny tontolo eny eran\u2019 ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin\u2019 izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin\u2019 izao. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:10", "text": "Dia tezitra tamin\u2019 ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin\u2019 i Asa tamin\u2019 izay. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:11", "text": "Ary, indro, ny tantaran\u2019 i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda sy ny Isiraely. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:12", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan\u2019 i Asa dia narary tamin\u2019 ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an\u2019 i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:13", "text": "Ary Asa lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany; maty izy tamin\u2019 ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "II Chronicles 16:14", "text": "Dia nalevina tao amin\u2019 ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida, ka nampandrina teo amin\u2019 ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon\u2019 ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:1", "text": " Ary Josafata, zanak\u2019 i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin\u2019 ny Isiraely izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:2", "text": "Ary namponina miaramila tamin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda rehetra eran\u2019 i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin\u2019 ny tany Joda sy tany amin\u2019 izay tan\u00e0nan\u2019 ny Efraima efa azon\u2019 i Asa rainy. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:3", "text": "Ary Jehovah nomba an\u2019 i Josafata, satria nandeha tamin\u2019 ny nalehan\u2019 i Davida rainy izy, dia ilay tamin\u2019 ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala; " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:4", "text": "fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:5", "text": "Koa dia nampitoerin\u2019 i Jehovah teo an-t\u00e0nany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an\u2019 i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:6", "text": "Ary ny fony nihanatoky tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Jehovah, dia noravany tsy ho eo amin\u2019 ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:7", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda, " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:8", "text": "Ary nisy Levita koa niaraka tamin\u2019 ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin\u2019 i Elisama sy Jorama, mpisorona. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:9", "text": "Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah, dia nitety ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin\u2019 ny olona. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:10", "text": "Ary ny tahotra an\u2019 i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin\u2019 ny tany manodidina an\u2019 i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin\u2019 i Josafata ireo. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:11", "text": "Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an\u2019 i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman\u2019 osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo. " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:12", "text": "Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tan\u00e0na fitehirizana tany Joda. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:13", "text": "Ary nanana fananana betsaka tao amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:14", "text": "Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin\u2019 ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy; " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:15", "text": "ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy; " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:16", "text": "ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak\u2019 i Zikry, ilay nanolotena ho an\u2019 i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy. " }, { "verse": 17, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:17", "text": "Ary tamin\u2019 ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsip\u00ecka sy ampinga; " }, { "verse": 18, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:18", "text": "ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady. " }, { "verse": 19, "chapter": 17, "name": "II Chronicles 17:19", "text": "Ireo no mpitoetra tamin\u2019 ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin\u2019 ny mpanjaka tany amin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda eran\u2019 i Joda rehetra. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:1", "text": " Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin\u2019 i Ahaba. " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:2", "text": "Koa nony ela dia nidina nankany amin\u2019 i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman\u2019 osy sy omby betsaka ho azy sy ho an\u2019 ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:3", "text": "Ary hoy Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, tamin\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay. " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:4", "text": "Ary hoy Josafata tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isirady; Mas\u00ecna ianao, anontanio aloha ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:5", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an\u2019 i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr\u2019 Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka. " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:6", "text": "Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin\u2019 i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika? " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:7", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin\u2019 i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak\u2019 i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:8", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak\u2019 i Jimla. " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:9", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, samy nipetraka teo amin\u2019 ny seza fiandrianany avy teo amin\u2019 ny famoloana eo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany. " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:10", "text": "Ary Zedekia, zanak\u2019 i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:11", "text": "Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr\u2019 i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:12", "text": "Ary ilay iraka izay nandeha naka an\u2019 i Mikaia niteny taminy hoe: Indro, fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an\u2019 ny mpanjaka: mas\u00ecna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an\u2019 ny anankiray amin\u2019 ireo, ka mba mitenena soa koa. " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:13", "text": "Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain\u2019 Andriamanitro ihany no hambarako. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:14", "text": "Dia nankany amin\u2019 ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an\u2019 i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:15", "text": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah afa-tsy izay marina ihany? " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:16", "text": "Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:17", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 ny Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany? " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:18", "text": "Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin\u2019 i Jehovah: Nahita an\u2019 i Jehovah nipetraka teo amin\u2019 ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin\u2019 ny ankavanany sy teo amin\u2019 ny ankaviany. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:19", "text": "Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:20", "text": "Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan\u2019 i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin\u2019 inona anefa? " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:21", "text": "Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan\u2019 ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:22", "text": "Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan\u2019 ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao. " }, { "verse": 23, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:23", "text": "Fa Zedekia, zanak\u2019 i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak\u2019 i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan\u2019 ny Fanahin\u2019 i Jehovah tamiko hiteny aminao? " }, { "verse": 24, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:24", "text": "Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin\u2019 ny andro hidiranao ao amin\u2019 ny efi-trano anatiny hierenao. " }, { "verse": 25, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:25", "text": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin\u2019 i Amona, komandin\u2019 ny tanana, sy ho any amin\u2019 i Joasy, zanaky ny mpanjaka, " }, { "verse": 26, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:26", "text": "ka lazao hoe: Izao no lazain\u2019 ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara. " }, { "verse": 27, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:27", "text": "Fa hoy Mikaia: Raha tah\u00ecny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin\u2019 i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra. " }, { "verse": 28, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:28", "text": "Dia niatatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 29, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:29", "text": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely tamin\u2019 i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin\u2019 ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin\u2019 ny ady. " }, { "verse": 30, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:30", "text": "Fa ny mpanjakan\u2019 i Syria efa nandidy Ireo komandin\u2019 ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin\u2019 ny kely na amin\u2019 ny lehibe, afa-tsy amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely ihany. " }, { "verse": 31, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:31", "text": "Ary nony nahita an\u2019 i Josafata ireo komandin\u2019 ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan\u2019 ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy; " }, { "verse": 32, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:32", "text": "ary rehefa hitan\u2019 ireo komandin\u2019 ny kalesy fa tsy ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo. " }, { "verse": 33, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:33", "text": "Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsip\u00ecka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely teo anelenalen\u2019 ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin\u2019 ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin\u2019 ny mpiady aho, fa voa. " }, { "verse": 34, "chapter": 18, "name": "II Chronicles 18:34", "text": "Ary nihamafy ny ady tamin\u2019 izany andro izany; ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin\u2019 ny kalesiny tandrifin\u2019 ny Syriana mandra-paharivan\u2019 ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:1", "text": "Ary Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema. " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:2", "text": "Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak\u2019 i Hanany mpahita, ka nanao tamin\u2019 i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an\u2019 i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:3", "text": "Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin\u2019 ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an\u2019 Andriamanitra ianao. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:4", "text": " Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:5", "text": "Ary nanendry mpitsara tamin\u2019 ny tany izy, dia tamin\u2019 ny isan-tan\u00e0na mimanda eran\u2019 i Joda, " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:6", "text": "ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an\u2019 olona no hitsaranareo, fa ho an\u2019 i Jehovah, sady momba anareo ao amin\u2019 ny fitsarana Izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:7", "text": "Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an\u2019 i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin\u2019 i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan\u2019 olona, na fandraisana kolikoly. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:8", "text": "Ary tany Jerosalema koa no nanendren\u2019 i Josafata ny sasany tamin\u2019 ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Isiraely ho amin\u2019 ny fitsaran\u2019 i Jehovah sy ny adin\u2019 olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin\u2019 izay) " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:9", "text": "ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin\u2019 ny fahatahorana an\u2019 i Jehovah sy amin\u2019 ny fahamarinana ary amin\u2019 ny fo mahitsy: " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:10", "text": "Na inona na inona no ady avy amin\u2019 ny rahalahinareo izay monina amin\u2019 ny tan\u00e0nany, na ny amin\u2019 ny mahafaty aina, na ny amin\u2019 ny hevitry ny lal\u00e0na sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin\u2019 i Jehovah, fandrao iharan\u2019 ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "II Chronicles 19:11", "text": "Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin\u2019 ny raharahan\u2019 i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak\u2019 Isimaela, mpanapaka ny taranak\u2019 i Joda, ho lehibenareo amin\u2019 ny raharahan\u2019 ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahef\u00e0; ary Jehovah anie homba izay tsara. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:1", "text": " Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin\u2019 i Josafata ny taranak\u2019 i Moaba sy ny taranak\u2019 i Amona mbamin\u2019 ny any ankoatry ny Amonita. " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:2", "text": "Ary nisy tonga ka nanambara tamin\u2019 i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin\u2019 ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany). " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:3", "text": "Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an\u2019 i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an\u2019 ny tanin\u2019 ny Joda rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:4", "text": "Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin\u2019 i Jehovah; eny, avy tamin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda rehetra hitady an\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:5", "text": "Ary Josafata nitsangana teo amin\u2019 ny fiangonan\u2019 ny Joda sy Jerosalema, Tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah, teo anoloan\u2019 ny kianja vaovao, " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:6", "text": "ka nanao hoe: Ry Jehovah \u00f4, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin\u2019 ny fanjakan\u2019 ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao. " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:7", "text": "Ry Andriamanitray \u00f4, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin\u2019 ity tany ity hiala teo anoloan\u2019 ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Abrahama sakaizanao? " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:8", "text": "Ary nonina tat\u1ef3 izy ka nanao fitoerana mas\u00ecna teto ho an\u2019 ny anaranao sady nanao hoe: " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:9", "text": "Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin\u2019 ity trano ity) ka hitaraina aminao amin\u2019 ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:10", "text": "Koa indreo ny taranak\u2019 i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Se\u00efra, dia ilay tsy navelanao hotafihin\u2019 ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin\u2019 ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy; " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:11", "text": "nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin\u2019 ny lova nomenao anay. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:12", "text": "Ry Andriamanitray \u00f4, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain\u2019 ny masonay. " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:13", "text": "Ary ny Joda rehetra mbamin\u2019 ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:14", "text": "Ary Jahaziela, zanak\u2019 i Zakaria, zanak\u2019 i Benaia, zanak\u2019 i Jeiela, zanak\u2019 i Matania, Levita amin\u2019 ny taranak\u2019 i Asafa, dia voatsindrin\u2019 ny Fanahin\u2019 i Jehovah teo amin\u2019 ny fiangonana " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:15", "text": "ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain\u2019 i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin\u2019 ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:16", "text": "Rahampitso dia mid\u00ecna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin\u2019 ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin\u2019 ny faran\u2019 ny lohasahan-driaka tandrifin\u2019 ny efitr\u2019 i Jeroela. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:17", "text": "Tsy ianareo anefa no hiady amin\u2019 ity; mijan\u00f2na tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen\u2019 i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:18", "text": "Dia niankohoka tamin\u2019 ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah koa ka nivavaka. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:19", "text": "Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Kora\u00efta, mba hidera an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin\u2019 ny feo mahery indrindra. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:20", "text": "Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr\u2019 i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:21", "text": "Ary rehefa niara-nihevitra tamin\u2019 ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an\u2019 i Jehovah hidera amin\u2019 ny fihaingoana mas\u00ecna, raha mivoaka eo anoloan\u2019 ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Mider\u00e0 an\u2019 i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:22", "text": "Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian\u2019 i Jehovah otrika hamely ny taranak\u2019 i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Se\u00efra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:23", "text": "Dia nitsangana ny taranak\u2019 i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Se\u00efra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Se\u00efra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany. " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:24", "text": "Ary nony tonga teo amin\u2019 ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin\u2019 ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra. " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:25", "text": "Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny. " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:26", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahefatra dia nivory tao amin\u2019 ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an\u2019 i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany. " }, { "verse": 27, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:27", "text": "Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin\u2019 ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin\u2019 ny fahavalony. " }, { "verse": 28, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:28", "text": "Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 29, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:29", "text": "Ary ny fahatahorana an\u2019 Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin\u2019 ny fahavalon\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 30, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:30", "text": "Ary nandry fahizay ny fanjakan\u2019 i Josafata; fa nomen\u2019 Andriamaniny fiadanana tamin\u2019 ny manodidina izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:31", "text": " Ary Josafata nanjaka tamin\u2019 ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin\u2019 i Sily. " }, { "verse": 32, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:32", "text": "Ary nandeha tamin\u2019 ny lalana nalehan\u2019 i Asa rainy izy ka tsy niala tamin\u2019 izany, fa nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 33, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:33", "text": "Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an\u2019 Andriamanitry ny razany. " }, { "verse": 34, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:34", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny tenin\u2019 i Jeho, zanak\u2019 i Hanany, izay nakambana ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely, izany. " }, { "verse": 35, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:35", "text": "Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan\u2019 ny Joda, nikambana tamin\u2019 i Ahazia, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, izay nanao ratsy; " }, { "verse": 36, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:36", "text": "ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy. " }, { "verse": 37, "chapter": 20, "name": "II Chronicles 20:37", "text": "Ary Eliezera, zanak\u2019 i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin\u2019 i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin\u2019 i Ahazia dia horavan\u2019 i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:1", "text": " Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:2", "text": "Ary nanan-drahalahy, zanak\u2019 i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak\u2019 i Josafata, mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:3", "text": "Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin\u2019 ny tan\u00e0na sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an\u2019 i Jehorama, satria izy no lahimatoa. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:4", "text": "Ary raha vao nanjaka tamin\u2019 ny fanjakan\u2019 ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin\u2019 ny mpanapaka sasany tamin\u2019 ny Isiraely koa tamin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:5", "text": "Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:6", "text": "Ary nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba fa zanakavavin\u2019 i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:7", "text": "Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak\u2019 i Davida noho ny fanekena nataony tamin\u2019 i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin\u2019 ny taranany. " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:8", "text": "Tamin\u2019 ny andron\u2019 i Jehorama no niodinan\u2019 ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:9", "text": "Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak\u2019 alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin\u2019 ny kalesy. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:10", "text": "Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin\u2019 izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an\u2019 i Jehorama, satria efa nahafoy an\u2019 i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:11", "text": "Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr\u2019 i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:12", "text": "Ary nisy taratasy avy tamin\u2019 i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Josafata rainao, na ny lalan\u2019 i Asa, mpanjakan\u2019 ny Joda, " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:13", "text": "fa nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao, " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:14", "text": "dia, indro, hasian\u2019 i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin\u2019 ny biby fiompinao rehetra; " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:15", "text": "ary ianao koa ho azon\u2019 ny aretina mafy, dia aretina amin\u2019 ny tsinainao, mandra-pial\u00e0lan\u2019 ny tsinainao isan\u2019 andro isan\u2019 andro noho ny aretina. " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:16", "text": "Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin\u2019 ny Etiopiana hamely an\u2019 i Jehorama; " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:17", "text": "ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an\u2019 ny ankohonan\u2019 ny mpanjaka mbamin\u2019 ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany. " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:18", "text": "Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian\u2019 i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin\u2019 ny tsinainy izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:19", "text": "Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nial\u00e0la ny tsinainy azon\u2019 ny aretiny; ka dia maty tamin\u2019 ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin\u2019 ny razany. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "II Chronicles 21:20", "text": "Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin\u2019 ny fasan\u2019 ny mpanjaka. " } ] }, { "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:1", "text": " Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an\u2019 i Ahazia, faralahin\u2019 i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin\u2019 ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak\u2019 i Jehorama, mpanjakan\u2019 ny Joda, no nanjaka. " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:2", "text": "Roa amby efa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak\u2019 i Omry. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:3", "text": "Nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny taranak\u2019 i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy. " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:4", "text": "Ka dia nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah toy ny taranak\u2019 i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian\u2019 ny nahafatesan\u2019 ny rainy ka nampidi-doza taminy. " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:5", "text": "Ary ny saina nomen\u2019 ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin\u2019 i Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, izy hiady tamin\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an\u2019 i Jorama. " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:6", "text": "Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin\u2019 ny feriny tamin\u2019 ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin\u2019 i Hazaela, mpanjakan\u2019 i Syria. Ary Azaria, zanak\u2019 i Jehorama, mpanjakan\u2019 ny Joda, nidina mba hamangy an\u2019 i Jorama, zanak\u2019 i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:7", "text": "Ary avy tamin\u2019 Andriamanitra ny loza nanjo an\u2019 i Ahazia tamin\u2019 ny nankanesany tany amin\u2019 i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin\u2019 i Jorama mba hitsena an\u2019 i Jeho, zanak\u2019 i Nimsy, izay nohosoran\u2019 i Jehovah handringana ny taranak\u2019 i Ahaba. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:8", "text": "Ary tamin\u2019 ny namalian\u2019 i Jeho ny taranak\u2019 i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin\u2019 i Ahazia, izay nanompo an\u2019 i Ahazia, ka novonoiny. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:9", "text": "Ary nitady an\u2019 i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin\u2019 i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak\u2019 i Josafata, ilay nitady an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak\u2019 i Ahazia. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:10", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Atalia, renin\u2019 i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak\u2019 andriana rehetra tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda. " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:11", "text": "Fa Joseba, zanakavavin\u2019 ny mpanjaka, dia naka an\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin\u2019 ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin\u2019 i Joseba, zanakavavin\u2019 i Jehorama mpanjaka, vadin\u2019 i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin\u2019 i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan\u2019 i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "II Chronicles 22:12", "text": "Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon\u2019 Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin\u2019 ny tany " } ] }, { "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:1", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin\u2019 ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak\u2019 i Jerohama, sy Isimaela, zanak\u2019 i Johanana, sy Azaria, zanak\u2019 i Obeda, sy Mahaseia, zanak\u2019 i Adaia, ary Elisafata, zanak\u2019 i Zikry. " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:2", "text": "Ary nitety an\u2019 i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda rehetra sy ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:3", "text": "Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin\u2019 ny mpanjaka tao an-tranon\u2019 Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain\u2019 i Jehovah ny amin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida. " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:4", "text": "Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin\u2019 ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana; " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:5", "text": "ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon\u2019 ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin\u2019 ny kianjan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:6", "text": "Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon\u2019 i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria mas\u00ecna ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain\u2019 i Jehovah hotandremana. " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:7", "text": "Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:8", "text": "Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian\u2019 i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin\u2019 ny Sabata sy izay niala tamin\u2019 ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony. " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:9", "text": "Ary nomen\u2019 i Joiada mpisorona ho an\u2019 ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an\u2019 i Davida mpanjaka ka tao an-tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:10", "text": "Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin\u2019 ny lafiny ankavavan\u2019 ny trano ka hatramin\u2019 ny lafiny ankavia, hatramin\u2019 ny alitara ka hatramin\u2019 ny trano. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:11", "text": "Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin\u2019 ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:12", "text": "Ary nony ren\u2019 i Atalia ny tabataban\u2019 ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin\u2019 ny vahoaka tao an-tranon\u2019 i Jehovah koa izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:13", "text": "Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin\u2019 ny fitoeran\u2019 andriana teo amin\u2019 ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan\u2019 ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin\u2019 ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana! " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:14", "text": "Fa nasain\u2019 i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin\u2019 ireo: Avoahy eny ivelan\u2019 ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin\u2019 ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:15", "text": "Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin\u2019 ny fidirana amin\u2019 ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:16", "text": "Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin\u2019 ny tenany mba ho olon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:17", "text": "Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon\u2019 i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron\u2019 i Bala, novonoiny teo anoloan\u2019 ny alitara. " }, { "verse": 18, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:18", "text": "Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon\u2019 i Jehovah hofehezin\u2019 ny Levita mpisorona izay nozarazarain\u2019 i Davida ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy, amin\u2019 ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain\u2019 i Davida natao. " }, { "verse": 19, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:19", "text": "Ary nalatsany teo am-bavahadin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao. " }, { "verse": 20, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:20", "text": "Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon\u2019 i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon\u2019 ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakana izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 23, "name": "II Chronicles 23:21", "text": "Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin\u2019 ny sabatra. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:1", "text": " Fito taona no niainan\u2019 i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba. " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:2", "text": "Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 i Joiada mpisorona. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:3", "text": "Ary nangalan\u2019 i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:4", "text": "Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:5", "text": "Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin\u2019 ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon\u2019 Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:6", "text": "Ary ny mpanjaka dia nampaka an\u2019 i Joiada, lohany tamin\u2019 ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 i Jehovah sy ny fiangonan\u2019 ny Isiraely ho ao amin\u2019 ny tabernakelin\u2019 ny vavolombelona? " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:7", "text": "Fa ny zanak\u2019 i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon\u2019 Andriamanitra; ary ny zavatra mas\u00ecna rehetra tao an-tranon\u2019 i Jehovah koa dia efa nateriny ho an\u2019 ireo Bala. " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:8", "text": "Ary nasain\u2019 ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:9", "text": "Ary nandefa teny eran\u2019 i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an\u2019 i Jehovah ny hetra izay nasain\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 Andriamanitra, haloan\u2019 ny Isiraely, fony izy tany an-efitra. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:10", "text": "Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin\u2019 ny vata ambara-pahatapiny. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:11", "text": "Ary tamin\u2019 izay andro nitondran\u2019 ny Levita ny vata ho any amin\u2019 ny toniany voatendrin\u2019 ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin\u2019 ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin\u2019 ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin\u2019 ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:12", "text": "Ary nomen\u2019 ny mpanjaka sy Joiada ho an\u2019 izay nanao ny raharahan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah ny vola, ka nanakaraman\u2019 ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:13", "text": "Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon\u2019 Andriamanitra ka nataony mafy. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:14", "text": "Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon\u2019 i Jehovah mandrakariva izy tamin\u2019 ny andron\u2019 i Joiada rehetra. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:15", "text": "Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:16", "text": "Ary nalevina tao an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida tao amin\u2019 ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin\u2019 ny Isiraely ary tamin\u2019 Andriamanitra sy ny tranony koa. " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:17", "text": "Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:18", "text": "Ary nandao ny tranon\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin\u2019 ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:19", "text": "Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin\u2019 i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:20", "text": "Ary Zakaria, zanak\u2019 i Joiada mpisorona, notsindrian\u2019 ny Fanahin\u2019 Andriamanitra, dia nitsangana teo amin\u2019 ny avoavo teo anatrehan\u2019 ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain\u2019 Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin\u2019 i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an\u2019 i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:21", "text": "Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin\u2019 ny kianjan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah araka ny tenin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:22", "text": "Toy izany no tsy nahatsiarovan\u2019 i Joasy mpanjaka ny soa nataon\u2019 i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:23", "text": "Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan\u2019 i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin\u2019 ny olona, ary nampitondrainy ho any amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Damaskosy ny babo rehetra. " }, { "verse": 24, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:24", "text": "Fa vitsy ny miaramilan\u2019 ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-t\u00e0nany noho ny nahafoizany an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan\u2019 ireo ny famaliana an\u2019 i Joasy. " }, { "verse": 25, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:25", "text": "Ary nony nilaozany tamin\u2019 ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran\u2019 ny zanak\u2019 i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin\u2019 ny fasan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 26, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:26", "text": "Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak\u2019 i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak\u2019 i Simrita Moabita. " }, { "verse": 27, "chapter": 24, "name": "II Chronicles 24:27", "text": "Ary ny amin\u2019 ny zanany sy ny hamafin\u2019 ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon\u2019 Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:1", "text": " Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema. " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:2", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin\u2019 ny fony rehetra. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:3", "text": "Ary nony tafapetraka tsara tamin\u2019 ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy. " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:4", "text": "Nefa ny zanak\u2019 ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0na, dia ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Mosesy, izay nandidian\u2019 i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin\u2019 ny ataon\u2019 ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin\u2019 ny ataon\u2019 ny rainy, fa samy ho faty amin\u2019 ny fahotany avy ny olona. " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:5", "text": "Ary novorin\u2019 i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe. " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:6", "text": "Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin\u2019 ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato. " }, { "verse": 7, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:7", "text": "Nefa nisy lehilahin\u2019 Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan\u2019 ny Isiraely; fa tsy omban\u2019 i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak\u2019 i Efraima rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:8", "text": "Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin\u2019 ny ady; fa hataon\u2019 Andriamanitra lavo eo anoloan\u2019 ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo. " }, { "verse": 9, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:9", "text": "Fa hoy Amazia tamin\u2019 ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin\u2019 ny talenta zato nomeko ny miaramilan\u2019 ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin\u2019 Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:10", "text": "Dia navahan\u2019 i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin\u2019 ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran\u2019 ireo tamin\u2019 ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra. " }, { "verse": 11, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:11", "text": "Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin\u2019 ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Se\u00efra izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:12", "text": "Ary ny iray alina sisa nataon\u2019 ny taranak\u2019 i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon\u2019 ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra. " }, { "verse": 13, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:13", "text": "Fa ireo miaramila izay nampodin\u2019 i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tan\u00e0nan\u2019 ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka. " }, { "verse": 14, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:14", "text": "Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak\u2019 i Se\u00efra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:15", "text": "Dia nirehitra tamin\u2019 Amazia ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin\u2019 ny tananao aza? " }, { "verse": 16, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:16", "text": "Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian\u2019 ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro. " }, { "verse": 17, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:17", "text": "Ary Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Joahaza, zanak\u2019 i Jeho, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona. " }, { "verse": 18, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:18", "text": "Fa Joasy, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, naniraka tany amin\u2019 i Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin\u2019 ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo. " }, { "verse": 19, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:19", "text": "Lazainao fa namely an\u2019 i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin\u2019 ny Joda koa ianao? " }, { "verse": 20, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:20", "text": "Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin\u2019 Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita. " }, { "verse": 21, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:21", "text": "Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan\u2019 ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an\u2019 i Joda. " }, { "verse": 22, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:22", "text": "Dia resy teo anoloan\u2019 ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin\u2019 ny lainy avy izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:23", "text": "Ary Amazia, mpanjakan\u2019 ny Joda, zanak\u2019 Joasy, zanak\u2019 i Joahaza, dia nosamborin\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan\u2019 i Joasy efa-jato hakiho ny mandan\u2019 i Jerosalema hatramin\u2019 ny vavahadin\u2019 i Efraima ka hatramin\u2019 ny vavahady an-jorony. " }, { "verse": 24, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:24", "text": "Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon\u2019 Andriamanitra tao amin\u2019 i Obed-edoma sy tamin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 ny mpanjaka mbamin\u2019 ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:25", "text": "Ary ny andro niainan\u2019 i Amazia zanak\u2019 i Joasy, mpanjakan\u2019 ny Joda, taorian\u2019 ny nahafatesan\u2019 i Joasy, zanak\u2019 i Joahaza, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, dia dimy ambin\u2019 ny folo taona. " }, { "verse": 26, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:26", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda sy ny Isiraely va izany? " }, { "verse": 27, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:27", "text": "Ary hatramin\u2019 ny andro nihemoran\u2019 i Amazia tsy nanaraka an\u2019 i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany. " }, { "verse": 28, "chapter": 25, "name": "II Chronicles 25:28", "text": "Ary nasampiny tamin\u2019 ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin\u2019 ny razany tao an-tan\u00e0nan\u2019 ny Joda. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:1", "text": " Ary ny vahoaka rehetra tamin\u2019 ny Joda naka an\u2019 i Ozia, izay enina ambin\u2019 ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an\u2019 i Amazia rainy. " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:2", "text": "Izy no nanamboatra an\u2019 i Elota ka nampody azy ho an\u2019 ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin\u2019 ny razany ny mpanajaka. " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:3", "text": "Enina ambin\u2019 ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:4", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon\u2019 i Amazia rainy. " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:5", "text": "Ary nitady an\u2019 Andriamanitra izy tamin\u2019 ny andron\u2019 i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an\u2019 Andriamanitra; ary tamin\u2019 ny andro nitadiavany an\u2019 i Jehovah dia nambinin\u2019 Andriamanitra izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:6", "text": "Ary nivoaka izy ka niady tamin\u2019 ny Filistina, dia nandrava ny mandan\u2019 i Gata sy ny an\u2019 i Jabne sy ny an\u2019 i Asdoda ary nanao tan\u00e0na tany Asdoda sy tany amin\u2019 ny Filistina. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:7", "text": "Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:8", "text": "Ary ny Amonita nandoa hetra ho an\u2019 i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin\u2019 i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:9", "text": "Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin\u2019 ny vavahady an-jorony sy teo amin\u2019 ny vavahady mankao amin\u2019 ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:10", "text": "Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman\u2019 ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:11", "text": "Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan\u2019 i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin\u2019 i Hanania, anankiray tamin\u2019 ny komandy voatendrin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:12", "text": "Enin-jato amby roa rivo no isan\u2019 ny lohan\u2019 ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa. " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:13", "text": "Ary ny miaramila fehezin\u2019 ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin\u2019 ny fahavalony. " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:14", "text": "Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsip\u00ecka ary vaton\u2019 antsamotady ho an\u2019 ireo miaramila rehetra ireo. " }, { "verse": 15, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:15", "text": "Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan\u2019 ny mahay zavatra, hapetraka eo amin\u2019 ny tilikambo sy eo an-tampon\u2019 ny manda mba handefasana zana-tsip\u00ecka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan\u2019 i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:16", "text": "Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln\u2019 ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. " }, { "verse": 17, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:17", "text": "Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin\u2019 ny valo-polo lahy amin\u2019 ny mpisoron\u2019 i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa. " }, { "verse": 18, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:18", "text": "Ary nanohitra an\u2019 i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an\u2019 i Jehovah, fa an\u2019 ny mpisorona ihany, dia ny taranak\u2019 i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mial\u00e0 amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamanitra izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:19", "text": "Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-t\u00e0nany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin\u2019 ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin\u2019 ny handriny teo anatrehan\u2019 ny mpisorona tao an-tranon\u2019 i Jehovah, tanilan\u2019 ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. " }, { "verse": 20, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:20", "text": "Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:21", "text": "Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon\u2019 i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka. " }, { "verse": 22, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:22", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan\u2019 Isaia mpaminany, zanak\u2019 i Amoza; " }, { "verse": 23, "chapter": 26, "name": "II Chronicles 26:23", "text": "Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an\u2019 ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:1", "text": " Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin\u2019 i Zadoka. " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:2", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, tahaka izay nataon\u2019 i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany. " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:3", "text": "Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah sady nandrafitra be tamin\u2019 ny mandan\u2019 i Ofela koa. " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:4", "text": "Ary nanao tan\u00e0na teny amin\u2019 ny tany havoan\u2019 i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an\u2019 ala koa izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:5", "text": "Ary niady tamin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin\u2019 izany taona izany ny taranak\u2019 i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan\u2019 ny taranak\u2019 i Amona ho azy tamin\u2019 ny-taona faharoa sy fahatelo koa. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:6", "text": "Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamaniny izy. " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:7", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Jotama sisa mbamin\u2019 ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy ny Joda izany. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:8", "text": "Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "II Chronicles 27:9", "text": "Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tany an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:1", "text": " Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah tahaka an\u2019 i Davida rainy izy, " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:2", "text": "fa nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an\u2019 ireo Bala koa. " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:3", "text": "Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin\u2019 ny lohasahan\u2019 ny taranak\u2019 i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin\u2019 ny afo, araka ny fahavetavetan\u2019 ny jentilisa izay noroahin\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely. " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:4", "text": "Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon\u2019 ny havoana ary teny ambanin\u2019 ny hazo maitso rehetra. " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:5", "text": "Koa dia natolotr\u2019 i Jehovah Andriamaniny ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:6", "text": "Fa Peka, zanak\u2019 i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin\u2019 ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan\u2019 ireny an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany. " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:7", "text": "Ary Zikry, lehilahy mahery tamin\u2019 ny Efraima, namono an\u2019 i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka. " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:8", "text": "Ary ny Zanak\u2019 isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin\u2019 ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny. " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:9", "text": "Ary nisy mpaminanin\u2019 i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin\u2019 ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin\u2019 ny fahatezerana manakatra ny lanitra. " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:10", "text": "Ary ankehitriny ny taranak\u2019 i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo koa? " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:11", "text": "Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin\u2019 ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:12", "text": "Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin\u2019 ny taranak\u2019 i Efraima, dia Azaria, zanak\u2019 i Johanana, sy Berekia, zanak\u2019 i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak\u2019 i Saloma, ary Amasa, zanak\u2019 i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:13", "text": "nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin\u2019 i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan\u2019 ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely. " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:14", "text": "Dia nalefan\u2019 ny miaramila teo anatrehan\u2019 ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony, " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:15", "text": "ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin\u2019 ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tan\u00e0na be rofia, ho any amin\u2019 ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:16", "text": "famin\u2019 izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria nangataka ny any hanampy azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:17", "text": "Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:18", "text": "Ary ny Filistina koa nanafika ny tan\u00e0na eny amin\u2019 ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin\u2019 ny tany atsimo momba an\u2019 i Joda, dia nahafaka an\u2019 i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin\u2019 ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:19", "text": "Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin\u2019 ny Joda ka nivadika tamin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:20", "text": "Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan\u2019 i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:21", "text": "Fa efa nalain\u2019 i Ahaza ny zavatra tao an-tranon\u2019 i Jehovah sy tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka sy ny an\u2019 ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan\u2019 i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:22", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin\u2019 i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io. " }, { "verse": 23, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:23", "text": "Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an\u2019 ireo andriamanitr\u2019 i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan\u2019 i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo. " }, { "verse": 24, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:24", "text": "Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon\u2019 Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah sady nanao alitara teny amin\u2019 ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema. " }, { "verse": 25, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:25", "text": "Ary teny amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an\u2019 ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:26", "text": "Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda sy ny Isiraely izany. " }, { "verse": 27, "chapter": 28, "name": "II Chronicles 28:27", "text": "Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao an-tan\u00e0na Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin\u2019 ny fasan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:1", "text": " Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin\u2019 i Zakaria. " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:2", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon\u2019 i Davida rainy. " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:3", "text": "Tamin\u2019 ny volana voalohany tamin\u2019 ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izy ka namboatra azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:4", "text": "Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo an-kalalahana atsinanana. " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:5", "text": "Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ny loto. " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:6", "text": "Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:7", "text": "Ary narindriny ny varavarana amin\u2019 ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ho an\u2019 Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:8", "text": "Ka dia nihatra tamin\u2019 ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran\u2019 i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan\u2019 ny masonareo izao. " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:9", "text": "Fa he! lavon\u2019 ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany. " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:10", "text": "Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra. " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:11", "text": "Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin\u2019 i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:12", "text": "Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak\u2019 i Amasay, sy Joela, zanak\u2019 i Azaria, tamin\u2019 ny taranaky ny Kehatita; ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary dia Kisy, zanak\u2019 i Abdia, sy Azaria, zanak\u2019 i Jehalalila; ary tamin\u2019 ny Gersonita dia Joa, zanak\u2019 i Zima, sy Edena, zanak\u2019 i Joa; " }, { "verse": 13, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:13", "text": "ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Asafa dia Zakaria sy Matania; " }, { "verse": 14, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:14", "text": "ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Jedotona dia Semaia sy Oziela. " }, { "verse": 15, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:15", "text": "Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin\u2019 ny mpanjaka noho ny tenin\u2019 i Jehovah mba hanadio ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:16", "text": "Ary ny mpisorona niditra tao amin\u2019 ny efitra anatiny amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin\u2019 i Jehovah ho eo an-kianjan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin\u2019 ny lohasahan-driaka Kidrona. " }, { "verse": 17, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:17", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin\u2019 ny andro fahavalo tamin\u2019 io volana io dia niditra teo amin\u2019 ny lavarangana fidirana an\u2019 i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny havaloana izy; ary tamin\u2019 ny andro fahenina ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana voalohany no nahavitany azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:18", "text": "Dia niditra tao amin\u2019 i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon\u2019 i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin\u2019 ny fanaka rehetra momba azy koa. " }, { "verse": 19, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:19", "text": "Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain\u2019 i Ahaza mpanjaka tamin\u2019 ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 20, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:20", "text": "Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tan\u00e0na, dia niakatra ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 21, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:21", "text": "Ary nitondra vantotr\u2019 ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak\u2019 ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an\u2019 ny fanjakana sy ho an\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna ary ho an\u2019 ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak\u2019 i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 22, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:22", "text": "Dia novonoiny ny vantotr\u2019 ombilahy, ary noraisin\u2019 ny mpisorona ny r\u00e0 ka natopiny tamin\u2019 ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin\u2019 ny alitara ny r\u00e0ny; ary novonoiny koa ny zanak\u2019 ondry, dia natopiny tamin\u2019 ny alitara ny r\u00e0ny. " }, { "verse": 23, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:23", "text": "Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana; " }, { "verse": 24, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:24", "text": "dia novonoin\u2019 ny mpisorona ireo, ka ny r\u00e0ny nataony teo amin\u2019 ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an\u2019 ny Isiraely; fa ho an\u2019 ny Isiraely rehetra no nasain\u2019 ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota. " }, { "verse": 25, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:25", "text": "Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon\u2019 i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin\u2019 i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan\u2019 ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin\u2019 i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny. " }, { "verse": 26, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:26", "text": "Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon\u2019 i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra. " }, { "verse": 27, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:27", "text": "Ary nasain\u2019 i Hezekia naterina teo ambonin\u2019 ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an\u2019 i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin\u2019 ny zava-manenon\u2019 i Davida, mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 28, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:28", "text": "Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan\u2019 ny fanatitra dorana. " }, { "verse": 29, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:29", "text": "Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin\u2019 izay rehetra teo aminy. " }, { "verse": 30, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:30", "text": "Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an\u2019 i Jehovah tamin\u2019 ny teny namboarin\u2019 i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin\u2019 ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka. " }, { "verse": 31, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:31", "text": "Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an\u2019 i Jehovah ianareo izao, ka dia manat\u00f2na, ary mitondr\u00e0 fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana. " }, { "verse": 32, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:32", "text": "Ary ny isan\u2019 ny fanatitra dorana izay nentin\u2019 ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak\u2019 ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah ireo rehetra ireo. " }, { "verse": 33, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:33", "text": "Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman\u2019 osy telo arivo. " }, { "verse": 34, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:34", "text": "Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan\u2019 ny raharaha sy ny nanamasinan\u2019 ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona. " }, { "verse": 35, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:35", "text": "Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran\u2019 ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 36, "chapter": 29, "name": "II Chronicles 29:36", "text": "Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin\u2019 Andriamanitra ho an\u2019 ny olona, satria tampoka izany raharaha izany. " } ] }, { "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:1", "text": " Ary Hezekia naniraka tany amin\u2019 ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin\u2019 ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon\u2019 i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:2", "text": "Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin\u2019 ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin\u2019 ny hitandremana ny Paska amin\u2019 ny volana faharoa. " }, { "verse": 3, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:3", "text": "Nefa tsy nahatandrina azy tamin\u2019 izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema. " }, { "verse": 4, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:4", "text": "Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:5", "text": "Dia nandidy handefa teny eran\u2019 ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan\u2019 ny olona hitandrina ny Paska ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. " }, { "verse": 6, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:6", "text": "Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin\u2019 ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin\u2019 ny mpanjaka hoe: Ry zanak\u2019 isiraely \u00f4, miverena amin\u2019 i Jehovah, Andriamanitr\u2019 i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin\u2019 izay sisa aminareo izay tsy azon\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 ireo mpanjakan\u2019 i Asyria. " }, { "verse": 7, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:7", "text": "Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:8", "text": "Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon\u2019 ny razanareo, fa atolory an\u2019 i Jehovah ny tananareo, ka mid\u00ecra ao amin\u2019 ny fitoerany mas\u00ecna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. " }, { "verse": 9, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:9", "text": "Fa raha miverina amin\u2019 i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan\u2019 izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin\u2019 ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo. " }, { "verse": 10, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:10", "text": "Ary ny tsimandoa nitety ny tan\u00e0na hatrany amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin\u2019 ny Zebolona; fa nihomehezan\u2019 ny olona sy novazivaziny foana izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:11", "text": "Kanefa kosa ny tamin\u2019 ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema. " }, { "verse": 12, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:12", "text": "Ary ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitra dia napetrany tamin\u2019 ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankat\u00f2 ny didin\u2019 ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:13", "text": "Ary tamin\u2019 ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa. " }, { "verse": 14, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:14", "text": "Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin\u2019 ny lohasahan-driaka Kidrona. " }, { "verse": 15, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:15", "text": "Dia namono ny Paska izy tamin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 16, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:16", "text": "Ary nitsangana teo amin\u2019 ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy, lehilahin\u2019 Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny r\u00e0 izay teny an-t\u00e0nan\u2019 ny Levita. " }, { "verse": 17, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:17", "text": "Fa nisy maro tao amin\u2019 ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 18, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:18", "text": "Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin\u2019 ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an\u2019 ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara \u00f4, mamel\u00e0 " }, { "verse": 19, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:19", "text": "izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an\u2019 Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna aza izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:20", "text": "Ary Jehovah nihaino an\u2019 i Hezekia ka nahasitrana ny olona. " }, { "verse": 21, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:21", "text": "Ary ny Zanak\u2019 isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin\u2019 ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an\u2019 i Jehovah isan\u2019 andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 22, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:22", "text": "Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an\u2019 i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany. " }, { "verse": 23, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:23", "text": "Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin\u2019 ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin\u2019 ny hafaliana izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:24", "text": "Fa Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda, nanome vantotr\u2019 ombilahy arivo sy ondry aman\u2019 osy fito arivo ho an\u2019 ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr\u2019 ombilahy arivo sy ondry aman\u2019 osy iray alina ho an\u2019 ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany. " }, { "verse": 25, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:25", "text": "Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin\u2019 ny Isiraely mbamin\u2019 ny vahiny izay avy tany amin\u2019 ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda. " }, { "verse": 26, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:26", "text": "Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin\u2019 ny andron\u2019 i Solomona, zanak\u2019 i Davida, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema. " }, { "verse": 27, "chapter": 30, "name": "II Chronicles 30:27", "text": "Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin\u2019 Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany mas\u00ecna, ny fivavany. " } ] }, { "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:1", "text": " Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tan\u00e0nan\u2019 ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran\u2019 i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin\u2019 ny taniny sy ny tan\u00e0nany avy ny Zanak\u2019 isiraely rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:2", "text": "Ary Hezekia nanendry ny antokon\u2019 ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin\u2019 ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tobin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:3", "text": "Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen\u2019 ny mpanjaka avy tamin\u2019 ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin\u2019 ny Sabata sy amin\u2019 ny voaloham-bolana sy amin\u2019 ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin\u2019 ny lalan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:4", "text": "Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran\u2019 ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 5, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:5", "text": "Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak\u2019 isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin\u2019 ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny. " }, { "verse": 6, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:6", "text": "Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tan\u00e0nan\u2019 ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman\u2019 osy, ary ny fahafolon\u2019 ny zavatra mas\u00ecna izay nohamasinina ho an\u2019 i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny. " }, { "verse": 7, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:7", "text": "Tamin\u2019 ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin\u2019 ny volana fahafito no nahavitany azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:8", "text": "Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an\u2019 i Jehovah sy ny Isiraely olony izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:9", "text": "Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin\u2019 ireo niavosa ireo. " }, { "verse": 10, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:10", "text": "Ary Azaria mpisoronabe, taranak\u2019 i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin\u2019 ny niandohan\u2019 ny nitondran\u2019 ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo. " }, { "verse": 11, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:11", "text": "Ary nasain\u2019 i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izy; dia namboariny izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:12", "text": "Ary tamin\u2019 ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka. " }, { "verse": 13, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:13", "text": "Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin\u2019 i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian\u2019 ireny, araka ny didin\u2019 i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 14, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:14", "text": "Ary Kore Levita, zanak\u2019 i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian\u2019 ny fanati-tsitrapo ho an\u2019 Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an\u2019 i Jehovah sy ny zava-mas\u00ecna indrindra. " }, { "verse": 15, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:15", "text": "Ary ny fehin\u2019 i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny mpisorona; ary adidin\u2019 ireo ny hizara ho an\u2019 ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely, " }, { "verse": 16, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:16", "text": "afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin\u2019 ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon\u2019 i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin\u2019 ny anjara-raharahany araka ny antokony avy. " }, { "verse": 17, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:17", "text": "Ary ny amin\u2019 ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy. " }, { "verse": 18, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:18", "text": "Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin\u2019 ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin\u2019 ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin\u2019 ny zavatra mas\u00ecna. " }, { "verse": 19, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:19", "text": "Ary ho an\u2019 ny mpisorona, taranak\u2019 i Arona, koa, izay tany amin\u2019 ny tany manodidina ny tan\u00e0nany, dia nisy olona voatonona anarana tamin\u2019 ny isan-tan\u00e0na hanome anjara ny lehilahy rehetra amin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra. " }, { "verse": 20, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:20", "text": "Ary toy izany no nataon\u2019 i Hezekia eran\u2019 i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamaniny izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 31, "name": "II Chronicles 31:21", "text": "Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin\u2019 ny fanompoana ao an-tranon\u2019 Andriamanitra sy ny lal\u00e0na ary ny didy hitadiavana an\u2019 Andriamaniny dia nataony tamin\u2019 ny fony rehetra, fa nambinina izy " } ] }, { "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:1", "text": " Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan\u2019 i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tan\u00e0na mimanda ka nikasa hanafaka azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:2", "text": "Ary nony hitan\u2019 i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an\u2019 i Jerosalema, " }, { "verse": 3, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:3", "text": "dia niara-nihevitra tamin\u2019 ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin\u2019 ny loharano eny ivelan\u2019 ny tan\u00e0na; ary nanampy azy ireo. " }, { "verse": 4, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:4", "text": "Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan\u2019 ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan\u2019 i Asyria, raha avy? " }, { "verse": 5, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:5", "text": "Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin\u2019 ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an\u2019 i Milo tao an-tan\u00e0nan\u2019 i Davida sady nanao lefona aman\u2019 ampinga betsaka izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:6", "text": "Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0na, dia nanao teny famporisihana taminy hoe: " }, { "verse": 7, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:7", "text": "Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan\u2019 i Asyria sy ny hamaroan\u2019 ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:8", "text": "Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin\u2019 ny tenin\u2019 i Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda, ny olona. " }, { "verse": 9, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:9", "text": "Rehefa afaka izany, dia nirahin\u2019 i Sankeriba, mpanjakan\u2019 i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an\u2019 i Lakisy tamin\u2019 izay) ho any amin\u2019 i Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda, sy ho any amin\u2019 ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe: " }, { "verse": 10, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:10", "text": "Izao nolazain\u2019 i Sankeriba, mpanjakan\u2019 i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo? " }, { "verse": 11, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:11", "text": "Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Syria? " }, { "verse": 12, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:12", "text": "Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan\u2019 ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra? " }, { "verse": 13, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:13", "text": "Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin\u2019 ny firenena rehetra tany amin\u2019 ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin\u2019 ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin\u2019 iny tanako? " }, { "verse": 14, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:14", "text": "Iza amin\u2019 ny andriamanitr\u2019 ireo firenena efa naringan\u2019 ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin\u2019 ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin\u2019 ny tanako va ny Andriamanitrareo? " }, { "verse": 15, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:15", "text": "Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin\u2019 ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin\u2019 ny tanako sy ny tanan\u2019 ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin\u2019 ny tanako? " }, { "verse": 16, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:16", "text": "Ary ny mpanompon\u2019 i Sankeriba mbola niteny ratsy an\u2019 i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony, " }, { "verse": 17, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:17", "text": "sady nanoratra taratasy hihaika an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien\u2019 ireny andriamanitry ny firenena tany amin\u2019 ny tany hafa ny olony tamin\u2019 ny tanako no tsy hahavonjen\u2019 ny Andriamanitr\u2019 i Hezekia ny olony koa amin\u2019 ny tanako. " }, { "verse": 18, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:18", "text": "Dia niantso tamin\u2019 ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan\u2019 ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin\u2019 ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 19, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:19", "text": "Ary Andriamanitr\u2019 i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filaz\u00e0ny ireny andriamanitry ny firenena tany amin\u2019 ny tany hafa ireny, izay asan\u2019 t\u00e0nan\u2019 olona ihany. " }, { "verse": 20, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:20", "text": "Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak\u2019 i Amoza, ka nitaraina tamin\u2019 ny lanitra. " }, { "verse": 21, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:21", "text": "Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon\u2019 ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin\u2019 ny sabatra ny zanany naterany. " }, { "verse": 22, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:22", "text": "Toy izany no namonjen\u2019 i Jehovah an\u2019 i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Sankeriba, mpanjakan\u2019 i Asyria, sy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin\u2019 ny manodidina rehetra Izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:23", "text": "Ary ny maro nitondra fanatitra ho an\u2019 i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an\u2019 i Hezekia, mpanjakan\u2019 ny Joda; dia nalaza teo imason\u2019 ny firenena rehetra izy hatramin\u2019 izany. " }, { "verse": 24, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:24", "text": " Tamin\u2019 izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin\u2019 i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana. " }, { "verse": 25, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:25", "text": "Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan\u2019 ny fahatezerana izy mbamin\u2019 ny Joda sy Jerosalema. " }, { "verse": 26, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:26", "text": "Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan\u2019 ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan\u2019 ny fahatezeran\u2019 i Jehovah ireo fahavelon\u2019 i Hezekia. " }, { "verse": 27, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:27", "text": "Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin\u2019 izay fanaka tsara rehetra, " }, { "verse": 28, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:28", "text": "ary tan\u00e0na fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran\u2019 ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran\u2019 ny ondry aman\u2019 osy. " }, { "verse": 29, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:29", "text": "Ary nanao tan\u00e0na maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman\u2019 osy ary omby betsaka, fa nomen\u2019 Andriamanitra fananana be indrindra izy. " }, { "verse": 30, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:30", "text": "Ary notampenan\u2019 io Hezekia io ny fivoahan\u2019 ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin\u2019 ny tany hidina mahitsy ho any andrefan\u2019 ny Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izany. Ary nambinina tamin\u2019 ny asany rehetra Hezekia. " }, { "verse": 31, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:31", "text": "Nefa noho ny amin\u2019 ny irak\u2019 ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin\u2019 ny zava-mahagaga natao teo amin\u2019 ny tany, dia nilaozan\u2019 Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony. " }, { "verse": 32, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:32", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Hezekia sisa mbamin\u2019 ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny fahitan\u2019 Isaia mpaminany, zanak\u2019 i Amoza, sy ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda sy ny Isiraely izany. " }, { "verse": 33, "chapter": 32, "name": "II Chronicles 32:33", "text": "Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao amin\u2019 ny fiakarana ho any amin\u2019 ny fasan\u2019 ny zanak\u2019 i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin\u2019 ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy. " } ] }, { "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:1", "text": " Roa ambin\u2019 ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 2, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:2", "text": "Ary nanao izay ratsy eo mason\u2019 i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan\u2019 ny firenena izay noroahin\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely. " }, { "verse": 3, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:3", "text": "Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan\u2019 i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an\u2019 ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan\u2019 izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra ka nanompo azy " }, { "verse": 4, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:4", "text": "sady nanorina alitara tao an-tranon\u2019 i Jehovah, dia tao amin\u2019 ilay nolazain\u2019 i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran\u2019 ny anarako mandrakizay. " }, { "verse": 5, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:5", "text": "Fa nanao alitara teo anatin\u2019 ny kianja roa amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izy ho an\u2019 izay rehetra eny amin\u2019 ny lanitra. " }, { "verse": 6, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:6", "text": "Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan\u2019 ny taranak\u2019 i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:7", "text": "Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon\u2019 Andriamanitra, izay nolazain\u2019 Andriamanitra tamin\u2019 Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin\u2019 ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin\u2019 ny firenen\u2019 isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay; " }, { "verse": 8, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:8", "text": "ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin\u2019 ny tany izay efa notendreko ho an\u2019 ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 9, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:9", "text": "Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan\u2019 i Jehovah tsy ho eo anoloan\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely. " }, { "verse": 10, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:10", "text": "Ary Jehovah niteny tamin\u2019 i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:11", "text": "Dia nentin\u2019 i Jehovah hamely azy ny komandin\u2019 ny miaramilan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria, dia nosamborin\u2019 ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona. " }, { "verse": 12, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:12", "text": "Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan\u2019 Andriamanitry ny razany " }, { "verse": 13, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:13", "text": "ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin\u2019 ny fanjakany. Ka dia fantatr\u2019 i Manase fa Jehovah no Andriamanitra. " }, { "verse": 14, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:14", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan\u2019 ny Tan\u00e0nan\u2019 i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin\u2019 ny lohasahan-driaka, ka hatramin\u2019 ny fidirana amin\u2019 ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an\u2019 i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin\u2019 ny miaramila ho any amin\u2019 ny tan\u00e0na mimanda rehetra any Joda izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:15", "text": "Dia nesoriny ireny andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon\u2019 i Jehovah mbamin\u2019 ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon\u2019 i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 16, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:16", "text": "Ary nanorina indray ny alitaran\u2019 i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 17, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:17", "text": "Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin\u2019 ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an\u2019 i Jehovah Andriamaniny ihany. " }, { "verse": 18, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:18", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Manase sisa mbamin\u2019 ny vavaka nataony tamin\u2019 Andriamaniny sy ny tenin\u2019 ireo mpahita izay niteny taminy tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:19", "text": "Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken\u2019 Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin\u2019 ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny tenin\u2019 i Hozay izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:20", "text": "Ary Manase lasa nodi-mandry any amin\u2019 ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:21", "text": "Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 22, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:22", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah tahaka ny nataon\u2019 i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon\u2019 i Manase rainy dia namonoan\u2019 i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny; " }, { "verse": 23, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:23", "text": "ary tsy nanetry tena teo anatrehan\u2019 i Jehovah tahaka ny nataon\u2019 i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza. " }, { "verse": 24, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:24", "text": "Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony. " }, { "verse": 25, "chapter": 33, "name": "II Chronicles 33:25", "text": "Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin\u2019 i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an\u2019 i Josia zanany hisolo azy. " } ] }, { "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:1", "text": " Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 2, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:2", "text": "Ary nanao izay mahitsy eo imason\u2019 i Jehovah izy ka nandeha tamin\u2019 ny lalan\u2019 i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin\u2019 ny ankavanana na ho amin\u2019 ny ankavia. " }, { "verse": 3, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:3", "text": "Fa tamin\u2019 ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an\u2019 Andriamanitr\u2019 i Davida rainy; ary tamin\u2019 ny taona faharoa ambin\u2019 ny folo kosa dia niantomboka nanadio an\u2019 i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony. " }, { "verse": 4, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:4", "text": "Ary noravan\u2019 ny olona teo anatrehan\u2019 i Josia ny alitaran\u2019 ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an\u2019 ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin\u2019 ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin\u2019 ny fasan\u2019 ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:5", "text": "Ary nandoro ny taolan\u2019 ny mpisorona teo ambonin\u2019 ny alitarany izy, ka dia nanadio an\u2019 i Joda sy Jerosalema. " }, { "verse": 6, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:6", "text": "Ary tany amin\u2019 ny tan\u00e0nan\u2019 ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin\u2019 ny Naftaly, dia tao an-tan\u00e0nany izay rava, " }, { "verse": 7, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:7", "text": "dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an\u2019 ny masoandro eran\u2019 ny tanin\u2019 ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy. " }, { "verse": 8, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:8", "text": "Ary tamin\u2019 ny taona fahavalo ambin\u2019 ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an\u2019 i Safana, zanak\u2019 i Azalia, sy Mahaseia, komandin\u2019 ny tan\u00e0na, ary Joa, zanak\u2019 i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon\u2019 i Jehovah Andriamaniny. " }, { "verse": 9, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:9", "text": "Ary rehefa tonga teo amin\u2019 i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon\u2019 Andriamanitra, izay efa nangonin\u2019 ny Levita, mpiandry varavarana, tamin\u2019 ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin\u2019 ny Isiraely, ary tamin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema. " }, { "verse": 10, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:10", "text": "Ary natolony ho eo an-tanan\u2019 ny lehiben\u2019 ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah izany, ary natolotr\u2019 ireo kosa ho an\u2019 ny mpiasa izay niasa tao an-tranon\u2019 i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano; " }, { "verse": 11, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:11", "text": "dia nomeny ho an\u2019 ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin\u2019 ny trano izay nosimban\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 12, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:12", "text": "Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin\u2019 ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany, " }, { "verse": 13, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:13", "text": "dia ireo no tonian\u2019 ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin\u2019 ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin\u2019 ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana. " }, { "verse": 14, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:14", "text": "Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon\u2019 i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah, ilay nampilazaina an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 15, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:15", "text": "Ary niteny Hilkia ka nanao tamin\u2019 i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin\u2019 ny lal\u00e0na dia hitako tao an-tranon\u2019 i Jehovah. Dia natolotr\u2019 i Hilkia an\u2019 i Safana ny boky. " }, { "verse": 16, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:16", "text": "Ary Safana nitondra ny boky ho any amin\u2019 ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon\u2019 ny mpanomponao dia nataony avokoa. " }, { "verse": 17, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:17", "text": "Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon\u2019 i Jehovah ka natolony teo an-t\u00e0nan\u2019 ny olona voatendry sy teo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpiasa. " }, { "verse": 18, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:18", "text": "Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin\u2019 ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen\u2019 i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin\u2019 i Safana teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka ny boky. " }, { "verse": 19, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:19", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny mpanjaka ny tenin\u2019 ny lal\u00e0na, dia nandriatra ny fitafiany izy " }, { "verse": 20, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:20", "text": "sady nandidy an\u2019 i Hilkia sy Ahikama, zanak\u2019 i Safana, sy Abdona, zanak\u2019 i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon\u2019 andriana, ka nanao hoe: " }, { "verse": 21, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:21", "text": "Andeha manontany amin\u2019 i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin\u2019 ny Isiraely sy ny Joda ny amin\u2019 ny tenin\u2019 io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran\u2019 i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman\u2019 ny razantsika ny tenin\u2019 i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin\u2019 io boky io. " }, { "verse": 22, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:22", "text": "Ary Hilkia sy izay notendren\u2019 ny mpanjaka dia nankany amin\u2019 i Holda mpaminanivavy, vadin\u2019 i Saloma, zanak\u2019 i Tokehata, zanak\u2019 i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin\u2019 ny tan\u00e0na ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo. " }, { "verse": 23, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:23", "text": "Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin\u2019 izay lehilahy naniraka anareo tat\u1ef3 amiko hoe: " }, { "verse": 24, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:24", "text": "Izao no lazain\u2019 i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin\u2019 ity tan\u00e0na ity sy amin\u2019 ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin\u2019 ilay boky efa novakina teo anatrehan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 25, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:25", "text": "Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an\u2019 ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin\u2019 izay rehetra nataon\u2019 ny t\u00e0nany, dia haidina amin\u2019 ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana. " }, { "verse": 26, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:26", "text": "Fa ny amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin\u2019 i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin\u2019 ny teny izay efa novakinao, " }, { "verse": 27, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:27", "text": "satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan\u2019 Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin\u2019 ity tan\u00e0na ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah. " }, { "verse": 28, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:28", "text": "Koa, indro, hangoniko any amin\u2019 ny razanao ianao ary hangonina any amin\u2019 ny fasanao amin\u2019 ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tan\u00e0na ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin\u2019 ny mpanjaka izy ireo. " }, { "verse": 29, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:29", "text": " Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon\u2019 ny Joda sy Jerosalema rehetra. " }, { "verse": 30, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:30", "text": "Dia niakatra ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin\u2019 ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin\u2019 ny bokin\u2019 ny fanekena, izay hita tao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 31, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:31", "text": "Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin\u2019 ny fitoeran\u2019 andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan\u2019 i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lal\u00e0ny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin\u2019 ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankat\u00f2 ny tenin\u2019 ny fanekena izay voasoratra ao amin\u2019 izany boky izany, " }, { "verse": 32, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:32", "text": "sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken\u2019 Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany " }, { "verse": 33, "chapter": 34, "name": "II Chronicles 34:33", "text": "Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin\u2019 ny tany rehetra izay an\u2019 ny Zanak\u2019 isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin\u2019 ny Isiraely hanompo an\u2019 i Jehovah Andriamaniny. Tamin\u2019 ny andro rehetra niainan\u2019 i Josia dia tsy mba niala tamin\u2019 ny fanarahana an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona. " } ] }, { "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:1", "text": "Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an\u2019 i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana voalohany. " }, { "verse": 2, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:2", "text": "Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin\u2019 ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 3, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:3", "text": "Ary hoy izy tamin\u2019 ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon\u2019 i Solomona, zanak\u2019 i Davida, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, ny fiara mas\u00ecna; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony; " }, { "verse": 4, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:4", "text": "ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr\u2019 i Davida, mpanjakan\u2019 ny Isiraely, sy araka ny voasoratr\u2019 i Solomona zanany koa. " }, { "verse": 5, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:5", "text": "Ary mitsang\u00e0na eo amin\u2019 ny fitoerana mas\u00ecna araka ny fizaran\u2019 ny fianakavian\u2019 ny rahalahinareo amin\u2019 ny vahoaka sy araka ny fizaran\u2019 ny fianakavian\u2019 ny Levita. " }, { "verse": 6, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:6", "text": "Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an\u2019 ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 7, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:7", "text": "Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen\u2019 i losia zanak\u2019 ondry sy zanak\u2019 osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin\u2019 ny fananan\u2019 ny mpanjaka ireo. " }, { "verse": 8, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:8", "text": "Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an\u2019 ny olona sy ho an\u2019 ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon\u2019 Andriamanitra, nanome ondry aman\u2019 osy enin-jato amby roa arivo ho an\u2019 ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato. " }, { "verse": 9, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:9", "text": "Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben\u2019 ny Levita, nanome ondry aman\u2019 osy dimy arivo ho an\u2019 ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato. " }, { "verse": 10, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:10", "text": "Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin\u2019 ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 11, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:11", "text": "Dia novonoin\u2019 ny olona ny Paska, ary natopin\u2019 ny mpisorona ny r\u00e0 teny an-t\u00e0nany, dia vao nohodiran\u2019 ny Levita kosa. " }, { "verse": 12, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:12", "text": "Dia natokany ny fanatitra dorana homen\u2019 ny olona araka ny fizaran\u2019 ny fianakaviany, mba hateriny ho an\u2019 i Jehovah araka izay voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Mosesy. Ary toy izany koa tamin\u2019 ny omby. " }, { "verse": 13, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:13", "text": "Ary ny Paska natsatsika tamin\u2019 ny afo araka ny fanao; fa ny zava-mas\u00ecna kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin\u2019 ny olona rehetra izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:14", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an\u2019 ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak\u2019 i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin\u2019 ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an\u2019 ny tenany sy ny mpisorona, taranak\u2019 i Arona. " }, { "verse": 15, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:15", "text": "Ary ny mpihira, taranak\u2019 i Asafa, nitoetra teo amin\u2019 ny fitoerany, araka ny didin\u2019 i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan\u2019 ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin\u2019 ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin\u2019 ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:16", "text": "Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah araka ny tenin\u2019 i Josia mpanjaka. " }, { "verse": 17, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:17", "text": "Ary ny Zanak\u2019 isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. " }, { "verse": 18, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:18", "text": "Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin\u2019 ny Isiraely na dia hatramin\u2019 ny andron\u2019 i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon\u2019 i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema. " }, { "verse": 19, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:19", "text": "Tamin\u2019 ny taona fahavalo ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Josia no nitandremana izany Paska izany. " }, { "verse": 20, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:20", "text": "Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin\u2019 i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan\u2019 i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron\u2019 i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy. " }, { "verse": 21, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:21", "text": "Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan\u2019 ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin\u2019 ny fahavaloko, sady nasain\u2019 Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an\u2019 Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao. " }, { "verse": 22, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:22", "text": "Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin\u2019 i Neko, izay nampilazain\u2019 Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin\u2019 ny lohasahan\u2019 i Megido. " }, { "verse": 23, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:23", "text": "Ary ny mpandefa tsip\u00ecka nahavoa an\u2019 i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho. " }, { "verse": 24, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:24", "text": "Dia nesorin\u2019 ny mpanompony tamin\u2019 izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin\u2019 ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an\u2019 i Josia. " }, { "verse": 25, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:25", "text": "Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an\u2019 i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an\u2019 i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin\u2019 ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny fihirana fisaonana izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:26", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Josia sisa mbamin\u2019 ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 27, "chapter": 35, "name": "II Chronicles 35:27", "text": "dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy ny Joda izany. " } ] }, { "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:1", "text": " Ary ny vahoaka naka an\u2019 i Joahaza, zanak\u2019 i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy. " }, { "verse": 2, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:2", "text": "Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 3, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:3", "text": "Ary nesorin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana. " }, { "verse": 4, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:4", "text": "Ary ny mpanjakan\u2019 i Egypta nampanjaka an\u2019 i Eliakima, rahalahin\u2019 i Joahaza, tamin\u2019 ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta. " }, { "verse": 5, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:5", "text": "Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamaniny izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:6", "text": "Ary Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin\u2019 ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona. " }, { "verse": 7, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:7", "text": "Ary ny fanaka sasany tao an-tranon\u2019 i Jehovah dia nentin\u2019 i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin\u2019 ny tempoliny tany Babylona. " }, { "verse": 8, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:8", "text": "Ary ny tantaran\u2019 i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin\u2019 izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:9", "text": "Valo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:10", "text": "Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin\u2019 ny fanaka tsara tao an-tranon\u2019 i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an\u2019 i Zedekia rahalahin-drainy tamin\u2019 ny Joda sy Jerosalema izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:11", "text": "Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin\u2019 ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. " }, { "verse": 12, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:12", "text": "Ary nanao izay ratsy eo imason\u2019 i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan\u2019 i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 13, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:13", "text": "Ary nikomy tamin\u2019 i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin\u2019 Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin\u2019 Andriamanitry ny Isiraely. " }, { "verse": 14, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:14", "text": "Ary ny lehibe rehetra tamin\u2019 ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon\u2019 ny jentilisa ka nandoto ny tranon\u2019 i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy. " }, { "verse": 15, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:15", "text": "Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin\u2019 ny olony sy ny fonenany. " }, { "verse": 16, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:16", "text": "Kanjo ny olona nihomehy ireny irak\u2019 Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran\u2019 i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:17", "text": "Koa nentiny namely azy ny mpanjakan\u2019 ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin\u2019 ny sabatra tao an-trano fitoerana mas\u00ecna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-t\u00e0nany avokoa. " }, { "verse": 18, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:18", "text": "Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon\u2019 Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin\u2019 ny rakitry ny tranon\u2019 i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa. " }, { "verse": 19, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:19", "text": "Dia nodorany koa ny tranon\u2019 Andriamanitra, ary noravany ny mandan\u2019 i Jerosalema; ny lapan\u2019 andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin\u2019 ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany. " }, { "verse": 20, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:20", "text": "Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Persia, " }, { "verse": 21, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:21", "text": "hanatanterahana ny tenin\u2019 i Jehovah nampilazaina an\u2019 i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin\u2019 ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona. " }, { "verse": 22, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:22", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona voalohany nanjakan\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Perisa, dia notairin\u2019 i Jehovah ny fanahin\u2019 i Kyrosy mpanjakan\u2019 i Persia, mba hanatanteraka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Jeremia, ka dia nandefa teny eran\u2019 ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe: " }, { "verse": 23, "chapter": 36, "name": "II Chronicles 36:23", "text": "Izao no lazain\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin\u2019 ny tany dia efa nomen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy. " } ] } ] }, { "name": "Ezra", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Ezra 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny taona voalohany nanjakan\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Persia, dia notairin\u2019 i Jehovah ny fanahin\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Persia, mba hanatanteraka ny tenin\u2019 i Jehovah izay nampilazainy an\u2019 i Jeremia, ka dia nandefa teny eran\u2019 ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:2", "text": "Izao no lazain\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin\u2019 ny tany dia efa nomen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:3", "text": "Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:4", "text": "Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin\u2019 izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin\u2019 ny fanati-tsitrapo ho an\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra, izay any Jerosalema. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:5", "text": "Dia niainga ny lohan\u2019 ny firenen\u2019 i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin\u2019 Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon\u2019 i Jehovah any Jerosalema. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:6", "text": "Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny t\u00e0nan\u2019 ireo tamin\u2019 ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin\u2019 izay rehetra nateriny tamin\u2019 ny sitrapo. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:7", "text": "Dia navoak\u2019 i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon\u2019 i Jehovah, izay efa nalain\u2019 i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon\u2019 ireo andriamaniny. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:8", "text": "Ary Mitredata, mpitahiry ny haren\u2019 ny fanjakana, dia nasain\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an\u2019 i Sesbazara, lehiben\u2019 ny firenen\u2019 i Joda. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:9", "text": "Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo, " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:10", "text": "kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo; " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Ezra 1:11", "text": "efa-jato amby dimy arivo no isan\u2019 ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin\u2019 i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin\u2019 ny babo izay niverina avy tany Babylona. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Ezra 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:1", "text": " Ary izao no olona amin\u2019 izany tany izany izay niakatra avy amin\u2019 ny fahababoana, izay nobaboin\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tan\u00e0nany avy, " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:2", "text": "dia ny olona izay niaraka tamin\u2019 i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan\u2019 ny lehilahy tamin\u2019 ny Isiraely dia izao: " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:3", "text": "Ny taranak\u2019 i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo; " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:4", "text": "ny taranak\u2019 i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:5", "text": "ny taranak\u2019 i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato; " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:6", "text": "ny taranak\u2019 i Pahatamoaba, avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin\u2019 ny folo amby valon-jato sy roa arivo; " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:7", "text": "ny taranak\u2019 i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:8", "text": "ny taranak\u2019 i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato; " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:9", "text": "ny taranak\u2019 i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato; " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:10", "text": "ny taranak\u2019 i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:11", "text": "ny taranak\u2019 i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:12", "text": "ny taranak\u2019 i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo; " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:13", "text": "ny taranak\u2019 i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:14", "text": "ny taranak\u2019 i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo; " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:15", "text": "ny taranak\u2019 i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato; " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:16", "text": "ny taranak\u2019 i Atera, avy tamin\u2019 i Hezekia, dia valo amby sivi-folo; " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:17", "text": "ny taranak\u2019 i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:18", "text": "ny taranak\u2019 i Jora dia roa ambin\u2019 ny folo amby zato; " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:19", "text": "ny taranak\u2019 i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato; " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:20", "text": "ny zanak\u2019 i Gibara dia dimy amby sivi-folo; " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:21", "text": "ny zanak\u2019 i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato; " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:22", "text": "ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo; " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:23", "text": "ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato; " }, { "verse": 24, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:24", "text": "ny zanak\u2019 i Azmaveta dia roa amby efa-polo; " }, { "verse": 25, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:25", "text": "ny zanak\u2019 i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato; " }, { "verse": 26, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:26", "text": "ny zanak\u2019 i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 27, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:27", "text": "ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato; " }, { "verse": 28, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:28", "text": "ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato; " }, { "verse": 29, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:29", "text": "ny zanak\u2019 i Nebo dia roa amby dimam-polo; " }, { "verse": 30, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:30", "text": "ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato; " }, { "verse": 31, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:31", "text": "ny zanak\u2019 ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; " }, { "verse": 32, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:32", "text": "ny taranak\u2019 i Harima dia roa-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 33, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:33", "text": "ny zanak\u2019 i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato; " }, { "verse": 34, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:34", "text": "ny zanak\u2019 i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 35, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:35", "text": "ny zanak\u2019 i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo. " }, { "verse": 36, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:36", "text": "Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Jedaia, avy tamin\u2019 ny mpianakavin\u2019 i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato; " }, { "verse": 37, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:37", "text": "ny taranak\u2019 Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo; " }, { "verse": 38, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:38", "text": "ny taranak\u2019 i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo; " }, { "verse": 39, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:39", "text": "ny taranak\u2019 i Harima dia fito ambin\u2019 ny folo sy arivo. " }, { "verse": 40, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:40", "text": "Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Hodavia, dia efatra amby fito-polo. " }, { "verse": 41, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:41", "text": "Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak\u2019 i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato. " }, { "verse": 42, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:42", "text": "Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Saloma, ny taranak\u2019 i Atera, ny taranak\u2019 i Talmona, ny taranak\u2019 i Akoba, ny taranak\u2019 i Hatita, ny taranak\u2019 i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra. " }, { "verse": 43, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:43", "text": "Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Ziha, ny taranak\u2019 i Hasofa, ny taranak\u2019 i Tabaota, " }, { "verse": 44, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:44", "text": "ny taranak\u2019 i Kerosa, ny taranak\u2019 i Siaha, ny taranak\u2019 i Padona, " }, { "verse": 45, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:45", "text": "ny taranak\u2019 i Lebana, ny taranak\u2019 i Hagabaha, ny taranak\u2019 i Akoba, " }, { "verse": 46, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:46", "text": "ny taranak\u2019 i Hagaba, ny taranak\u2019 i Salmay, ny taranak\u2019 i Hanana, " }, { "verse": 47, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:47", "text": "ny taranak\u2019 i Gidela, ny taranak\u2019 i Gahara, ny taranak\u2019 i Reaia, " }, { "verse": 48, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:48", "text": "ny taranak\u2019 i Rezina, ny taranak\u2019 i Nekoda, ny taranak\u2019 i Gazama, " }, { "verse": 49, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:49", "text": "ny taranak\u2019 i Oza, ny taranak\u2019 i Pasea, ny taranak\u2019 i Besay, " }, { "verse": 50, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:50", "text": "ny taranak\u2019 i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, " }, { "verse": 51, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:51", "text": "ny taranak\u2019 i Bakboka, ny taranak\u2019 i Hakofa, ny taranak\u2019 i Harora, " }, { "verse": 52, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:52", "text": "ny taranak\u2019 i Bazlota, ny taranak\u2019 i Mehida, ny taranak\u2019 i Harsa, " }, { "verse": 53, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:53", "text": "ny taranak\u2019 i Barkosa, ny taranak\u2019 i Sisera, ny taranak\u2019 i Tema, " }, { "verse": 54, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:54", "text": "ny taranak\u2019 i Nezia, ny taranak\u2019 i Hatifa. " }, { "verse": 55, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:55", "text": "Ary ny taranaky ny mpanompon\u2019 i Solomona koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Sotahy, ny taranak\u2019 i Sofereta, ny taranak\u2019 i Peroda, " }, { "verse": 56, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:56", "text": "ny taranak\u2019 i Jala, ny taranak\u2019 i Darkona, ny taranak\u2019 i Gidela, " }, { "verse": 57, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:57", "text": "ny taranak\u2019 i Sefatia, ny taranak\u2019 i Hatila, ny taranak\u2019 i Pokereta-hazebaima, ny taranak\u2019 i Amy. " }, { "verse": 58, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:58", "text": "Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon\u2019 i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato. " }, { "verse": 59, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:59", "text": "Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin\u2019 ny Isiraely, na tsia): " }, { "verse": 60, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:60", "text": "ny taranak\u2019 i Delaia, ny taranak\u2019 i Tobia, ny taranak\u2019 i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato. " }, { "verse": 61, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:61", "text": "Ary ny avy tamin\u2019 ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak\u2019 i Habaia, ny taranak\u2019 i Hakoza, ny taranak\u2019 i Barzilay; nampaka-bady avy tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany. " }, { "verse": 62, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:62", "text": "Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin\u2019 ny fisoronana. " }, { "verse": 63, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:63", "text": "Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra mas\u00ecna indrindra izy mandra-pitsangan\u2019 izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. " }, { "verse": 64, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:64", "text": "Ny tontalin\u2019 ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina, " }, { "verse": 65, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:65", "text": "afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy; " }, { "verse": 66, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:66", "text": "ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato; " }, { "verse": 67, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:67", "text": "ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo. " }, { "verse": 68, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:68", "text": "Ary ny sasany tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon\u2019 i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin\u2019 ny sitrapo hananganana ny tranon\u2019 Andriamanitra eo amin\u2019 ilay efa niorenany. " }, { "verse": 69, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:69", "text": "Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato. " }, { "verse": 70, "chapter": 2, "name": "Ezra 2:70", "text": "Ary samy tafapetraka teny an-tan\u00e0nany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin\u2019 ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tan\u00e0nany avy. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Ezra 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:1", "text": " Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin\u2019 ny tan\u00e0nany avy ny Zanak\u2019 Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:2", "text": "Dia nitsangana Jesoa, zanak\u2019 i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak\u2019 i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran\u2019 Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy, lehilahin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:3", "text": "Dia naoriny teo amin\u2019 ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an\u2019 i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:4", "text": "Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin\u2019 ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin\u2019 ny fanatitra dorana isan\u2019 andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan\u2019 andro avy. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:5", "text": "Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin\u2019 ny voaloham-bolana sy amin\u2019 ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin\u2019 i Jehovah ary ny avy amin\u2019 izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:6", "text": "Tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan\u2019 ny tempolin\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:7", "text": "Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin\u2019 ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Persia. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:8", "text": "Ary tamin\u2019 ny volana faharoa tamin\u2019 ny taona faharoa taorian\u2019 ny nahatongavany tany amin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak\u2019 i Sealtiela, sy Jesoa, zanak\u2019 i Jozadaka, mbamin\u2019 ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin\u2019 ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin\u2019 ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian\u2019 ny asa amin\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:9", "text": "Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak\u2019 i Joda, ho tonian\u2019 ny mpiasa tamin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra, ary ny zanak\u2019 i Henadada koa mbamin\u2019 ny zanany sy ny Levita rahalahiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:10", "text": "Ary rehefa naorin\u2019 ny mpiasa ny tempolin\u2019 i Jehovah, dia nasainy hidera an\u2019 i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak\u2019 i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian\u2019 i Davida, mpanjakan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:11", "text": "Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an\u2019 i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin\u2019 ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an\u2019 i Jehovah, satria vita ny fanorenan\u2019 ny tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:12", "text": "Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly; " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Ezra 3:13", "text": "ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Ezra 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:1", "text": " Ary nony ren\u2019 ny fahavalon\u2019 ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin\u2019 ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:2", "text": "dia nanatona an\u2019 i Zerobabela sy ny lohan\u2019 ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an\u2019 Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin\u2019 ny andron\u2019 i Esara-hadona, mpanjakan\u2019 i Asyria, izay efa nampakatra anay ho at\u1ef3. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:3", "text": "Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin\u2019 ny namany lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin\u2019 ny hanaovana trano ho an\u2019 Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian\u2019 itompokolahy Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Persia, anay. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:4", "text": "Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:5", "text": "sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin\u2019 ny andro nanjakan\u2019 i Kyrosy tany Persia ka hatramin\u2019 ny nanjakan\u2019 i Dariosy, mpanjakan\u2019 i Persia. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:6", "text": "Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:7", "text": "Ary tamin\u2019 ny andron\u2019 i Artaksersesy no nanoratan\u2019 i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin\u2019 ny namany sisa ho any amin\u2019 i Artaksersesy, mpanjakan\u2019 i Persia; ary ny soratra tamin\u2019 ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:8", "text": "Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin\u2019 i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an\u2019 i Jerosalema toy izao: " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:9", "text": "Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dina\u00efta, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsa\u00efta, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita, " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:10", "text": "mbamin\u2019 ny firenena sisa izay nentin\u2019 i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tan\u00e0na Samaria sy tany amin\u2019 ny tany sasany et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3 ...... " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:11", "text": "Izao no teny amin\u2019 ny taratasy nampitondrainy ho any amin\u2019 i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3 ...... " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:12", "text": "Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankat\u1ef3 aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tan\u00e0na fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:13", "text": "Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tan\u00e0na io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an\u2019 ny fanjakana izany any aoriana. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:14", "text": "Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin\u2019 ny lapan\u2019 ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay, " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:15", "text": "mba hizahana ny boky tantaran\u2019 ny razanao; dia ho hitanao eo amin\u2019 ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tan\u00e0na fikomiana io tan\u00e0na io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tan\u00e0na io. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:16", "text": "Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tan\u00e0na io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin\u2019 ny et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3 intsony ianao. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:17", "text": "Dia nampitondrain\u2019 ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin\u2019 ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin\u2019 ny tan\u00e0na sasany an-dafin\u2019 ny ony, nanao hoe: Fiadanana ...... " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:18", "text": "Ny taratasy izay nampitondrainareo ho at\u1ef3 aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako; " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:19", "text": "ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin\u2019 ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tan\u00e0na io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo. " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:20", "text": "Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin\u2019 ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:21", "text": "Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tan\u00e0na io, raha tsy mahazo teny avy at\u1ef3 amiko. " }, { "verse": 22, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:22", "text": "Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an\u2019 ny fanjakana? " }, { "verse": 23, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:23", "text": "Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin\u2019 ny namany ny taratasin\u2019 i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin\u2019 ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny. " }, { "verse": 24, "chapter": 4, "name": "Ezra 4:24", "text": "Dia natsahatra tsy natao ny tranon\u2019 Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin\u2019 ny taona faharoa nanjakan\u2019 i Dariosy, mpanjakan\u2019 i Persia. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Ezra 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:1", "text": " Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak\u2019 Ido, naminany tamin\u2019 ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin\u2019 ny anaran\u2019 Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:2", "text": "Dia nitsangana Zerobabela, zanak\u2019 i Sealtiela, sy Jesoa, zanak\u2019 i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon\u2019 Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin\u2019 Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:3", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany ihany koa dia nankany amin\u2019 ireo Tatenay, governoran\u2019 ny et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3, sy Setara-bozenay mbamin\u2019 ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io? " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:4", "text": "Ary izao koa no nataonay taminy Iza avy no anaran\u2019 izay lehilahy manao io trano io? " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:5", "text": "Nefa ny mason\u2019 Andriamaniny nitsinjo ny loholon\u2019 ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan\u2019 ny teny ho any amin\u2019 i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin\u2019 izany raharaha izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:6", "text": "Ny tenin\u2019 ny taratasy izay nampitondrain\u2019 i Tatenay, governoran\u2019 ny et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin\u2019 ny et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3; ho any amin\u2019 i Dariosy mpanjaka; " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:7", "text": "eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an\u2019 i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:8", "text": "Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin\u2019 ny tany Joda izahay ho any an-tranon\u2019 Andriamanitra lehibe, izay atao amin\u2019 ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin\u2019 ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-t\u00e0nany. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:9", "text": "Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io? " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:10", "text": "Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran\u2019 ny olona izay lohany; " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:11", "text": "ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon\u2019 Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin\u2019 ny Isiraely no nanao sy nahavita azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:12", "text": "Fa noho ny nampahatezeran\u2019 ny razanay an\u2019 Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan\u2019 i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:13", "text": "Fa tamin\u2019 ny taona voalohany nanjakan\u2019 i Kyrosy, mpanjakan\u2019 i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon\u2019 Andriamanitra io. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:14", "text": "Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon\u2019 Andriamanitra, izay efa nalain\u2019 i Nebokadnezara tao amin\u2019 ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin\u2019 ny tempoly any Babylona, dia nalain\u2019 i Kyrosy mpanjaka tao amin\u2019 ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin\u2019 ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora; " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:15", "text": "ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin\u2019 ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon\u2019 Andriamanitra hatsangana eo amin\u2019 ilay efa niorenany ihany. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:16", "text": "Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin\u2019 izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Ezra 5:17", "text": "Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan\u2019 ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon\u2019 i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon\u2019 Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon\u2019 ny mpanjaka hambarany aminay ny amin\u2019 izany zavatra izany. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Ezra 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:1", "text": "Ary tamin\u2019 izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:2", "text": "Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao: " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:3", "text": "Tamin\u2019 ny taona voalohany nanjakan\u2019 i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran\u2019 ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany, " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:4", "text": "dia vato vaventy telo an-dalana sy hazo vaovao iray an-dalana; ary aoka haloa avy amin\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanjaka izay lany; " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:5", "text": "ary ny fanaky ny tranon\u2019 Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain\u2019 i Nebokadnezara tao amin\u2019 ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin\u2019 ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin\u2019 ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon\u2019 Andriamanitra avokoa. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:6", "text": "Koa amin\u2019 izany, ry Tatenay, governora any an-dafin\u2019 ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin\u2019 ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin\u2019 ny ony, mihataha ianareo. " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:7", "text": "Aza misakana ny fanaovana io tranon\u2019 Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon\u2019 ny Jiosy hanao io tranon\u2019 Andriamanitra io eo amin\u2019 ilay efa niorenany ihany. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:8", "text": "Ary izaho manao didy ny amin\u2019 ny hataonareo amin\u2019 ny loholon\u2019 ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon\u2019 Andriamanitra izany: aoka ny haren\u2019 ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin\u2019 ny any an-dafin\u2019 ny ony, no handoavana marina izay lany ho an\u2019 ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:9", "text": "Ary izay zavatra ilainy, na zanak\u2019 omby, na ondrilahy, na zanak\u2019 ondry, ho fanatitra dorana ho an\u2019 Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian\u2019 ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan\u2019 andro isan\u2019 andro tsy tapaka izany, " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:10", "text": "mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an\u2019 Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin\u2019 ny zanany. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:11", "text": "Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin\u2019 ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:12", "text": "Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon\u2019 Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:13", "text": " Ary tamin\u2019 izany Tatenay, governora amin\u2019 ny et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3, sy Setarabozenay mbamin\u2019 ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain\u2019 i Dariosy ho any aminy izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:14", "text": "Dia nanao ny trano ny loholon\u2019 ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian\u2019 i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak\u2019 Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin\u2019 Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin\u2019 i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan\u2019 i Persia. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:15", "text": "Dia vita io trano io tamin\u2019 ny andro fahatelo tamin\u2019 ny volana Adara tamin\u2019 ny taona fahenina nanjakan\u2019 i Dariosy mpanjaka. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:16", "text": "Ary ny Zanak\u2019 Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin\u2019 ny fahababoana, dia nitokana io tranon\u2019 Andriamanitra io tamin\u2019 ny fifaliana; " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:17", "text": "ary ny nateriny hitokanana io tranon\u2019 Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak\u2019 ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an\u2019 ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan\u2019 ny firenen\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:18", "text": "Dia nanendry ny mpisorona ho amin\u2019 ny firazanany avy sy ny Levita ho amin\u2019 ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an\u2019 Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Mosesy. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:19", "text": "Ary ny olona izay efa nody avy tamin\u2019 ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana voalohany; " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:20", "text": "fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an\u2019 izay rehetra efa nody avy tamin\u2019 ny fahababoana sy ho an\u2019 ny mpisorona rahalahiny ary ho an\u2019 ny tenany, " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:21", "text": "Dia nihinana izany ny Zanak\u2019 Isiraely izay efa nody avy tamin\u2019 ny fahababoana mbamin\u2019 izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin\u2019 ny fahalotoan\u2019 ny firenena tompon-tany hitady an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Ezra 6:22", "text": "ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin\u2019 ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny t\u00e0nany tamin\u2019 ny nanaovany ny tranon\u2019 Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Ezra 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:1", "text": " Ary rehefa afaka izany, tamin\u2019 ny nanjakan\u2019 i Artaksersesy, mpanjakan\u2019 i Persia, dia niakatra Ezra, zanak\u2019 i Seraia, zanak\u2019 i Azaria, zanak\u2019 i Hilklay " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:2", "text": "zanak\u2019 i Saloma, zanak\u2019 i Zadoka, zanak\u2019 i Ahitoba, " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:3", "text": "zanak\u2019 i Amaria, zanak\u2019 i Azaria, zanak\u2019 i Meraiota, " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:4", "text": "zanak\u2019 i Zerahia, zanak\u2019 i Ozy, zanak\u2019 i Boky, " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:5", "text": "zanak\u2019 i Abisoa, zanak\u2019 i Finehasa, zanak\u2019 i Eleazara, zanak\u2019 i Arona mpisoronabe; " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:6", "text": "io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dal\u00e0na izy sady nahay ny lal\u00e0n\u2019 i Mosesy, izay efa nomen\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen\u2019 ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 i Jehovah Andriamaniny azy. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:7", "text": "Ary niakatra koa ny sasany amin\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely sy ny sasany amin\u2019 ny mpisorona mbamin\u2019 ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin\u2019 ny taona fahafito nanjakan\u2019 i Artaksersesy mpanjaka. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:8", "text": "Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin\u2019 ny volana fahadimy tamin\u2019 ny taona fahafito nanjakan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:9", "text": "Fa tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 Andriamaniny taminy. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:10", "text": "Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah ka hankat\u00f2 izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:11", "text": "Ary izao no tenin\u2019 ny taratasy izay nomen\u2019 i Artaksersesy mpanjaka an\u2019 i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dal\u00e0na mahay ny tenin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah sy ny didiny tamin\u2019 ny Isiraely: " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:12", "text": "Artaksersesy, mpanjakan\u2019 ny mpanjaka, ho an\u2019 i Ezra mpisorona, mpanora-dal\u00e0na mahay tsara ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitry ny lanitra. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:13", "text": "Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin\u2019 ny fanjakako amin\u2019 ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:14", "text": "Fa ianao efa nirahin\u2019 ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran\u2019 i Joda sy Jerosalema araka ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitrao izay eny an-tananao; " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:15", "text": "ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin\u2019 ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin\u2019 ny sitrapo ho an\u2019 Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema; " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:16", "text": "ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran\u2019 ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin\u2019 ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin\u2019 ny sitrapo hanaovany ny tranon\u2019 Andriamaniny, izay any Jerosalema. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:17", "text": "Koa amin\u2019 izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak\u2019 ondry mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin\u2019 io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin\u2019 ny alitara ao an-tranon\u2019 Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:18", "text": "Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin\u2019 ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon\u2019 Andriamanitrareo. " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:19", "text": "Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon\u2019 Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan\u2019 Andriamanitra any Jerosalema. " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:20", "text": "Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitrao dia alao ao amin\u2019 ny trano firaketan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:21", "text": "Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin\u2019 ny mpitahiry ny haren\u2019 ny fanjakana rehetra izay any an-dafin\u2019 ny ony, fa na inona na inona no ilain\u2019 i Ezra mpisorona, mpanora-dal\u00e0na mahay ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany, " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:22", "text": "na hatramin\u2019 ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza. " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:23", "text": "Na inona na inona andidian\u2019 Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin\u2019 ny fanjakan\u2019 ny mpanjaka sy ny zanany? " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:24", "text": "Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin\u2019 io tranon\u2019 Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara. " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:25", "text": "Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren\u2019 Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin\u2019 ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:26", "text": "Ary na iza na iza tsy mety mankat\u00f2 ny lalan\u2019 Andriamanitrao sy ny lal\u00e0n\u2019 ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra. " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:27", "text": "Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon\u2019 ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon\u2019 i Jehovah any Jerosalema. " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "Ezra 7:28", "text": "sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin\u2019 ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban\u2019 ny tanan\u2019 i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin\u2019 ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Ezra 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:1", "text": " Ary izao no lohan\u2019 ny fianakaviana sy filazana ny firazanan\u2019 ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin\u2019 ny nanjakan\u2019 i Artaksersesy mpanjaka: " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:2", "text": "Gersoma, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Finehasa; Daniela, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 Itamara; Hatosy, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Davida; " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:3", "text": "Zakaria, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Sekania (avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Parosy), mbamin\u2019 ny namany dimam-polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany; " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:4", "text": "Elihoenay, zanak\u2019 i Zerahia, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Pahata-moaba, mbamin\u2019 ny namany roan-jato lahy; " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:5", "text": "ny zanak\u2019 i Jahaziela, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Sekania, mbamin\u2019 ny namany telon-jato lahy; " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:6", "text": "Ebeda, zanak\u2019 i Jonatana, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Adina, mbamin\u2019 ny namany dimam-polo lahy; " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:7", "text": "Jesaia, zanak\u2019 i Atalia, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Elama, mbamin\u2019 ny namany fito-polo lahy; " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:8", "text": "Zebadia, zanak\u2019 i Mikaela, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Sefatia, mbamin\u2019 ny namany valo-polo lahy; " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:9", "text": "Obadia, zanak\u2019 i Jehiela, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joaba, mbamin\u2019 ny namany valo ambin\u2019 ny folo amby roan-jato lahy; " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:10", "text": "ny zanak\u2019 i Josifia, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Selomita, mbamin\u2019 ny namany enim-polo amby zato lahy; " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:11", "text": "Zakaria, zanak\u2019 i Bebay, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Bebay, mbamin\u2019 ny namany valo amby roa-polo lahy, " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:12", "text": "Johanana, zanak\u2019 i Hakatana, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Azgada, mbamin\u2019 ny namany folo amby zato lahy; " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:13", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin\u2019 ny namany enim-polo lahy, " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:14", "text": "Otahy sy Zaboda, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Bigvay, mbamin\u2019 ny namany fito-polo lahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:15", "text": "Ary novoriko teo amoron\u2019 ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak\u2019 i Levy teo na dia iray akory aza. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:16", "text": "Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo). " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:17", "text": "Ary nampitondraiko teny ho any amin\u2019 Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin\u2019 Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon\u2019 Andriamanitray. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:18", "text": "Ary araka ny soa nataon\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Maly, zanak\u2019 i Levy, zanak\u2019 Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin\u2019 ny rahalahiny, valo ambin\u2019 ny folo lahy, " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:19", "text": "ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Merary, mbamin\u2019 ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy; " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:20", "text": "ary avy tamin\u2019 ny Netinima, izay notendren\u2019 i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo. " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:21", "text": "Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron\u2019 ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan\u2019 Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an\u2019 ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:22", "text": "Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin\u2019 ny mpanjaka hiaro anay amin\u2019 ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin\u2019 ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy t\u00e0nan\u2019 Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:23", "text": "Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin\u2019 Andriamanitray, dia nihaino anay Izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:24", "text": "Ary nanokana roa ambin\u2019 ny folo lahy tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany, " }, { "verse": 25, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:25", "text": "ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin\u2019 ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon\u2019 Andriamanitray, izay efa naterin\u2019 ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo; " }, { "verse": 26, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:26", "text": "eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan\u2019 ny talenta zato, ary talenta volamena zato " }, { "verse": 27, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:27", "text": "sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan\u2019 ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena. " }, { "verse": 28, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:28", "text": "Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah, sady mas\u00ecna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo. " }, { "verse": 29, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:29", "text": "Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan\u2019 ny lohan\u2019 ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan\u2019 ny fianakaviana amin\u2019 ny Isiraely any Jerosalema, dia amin\u2019 ny efi-trano ao an-tranon\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 30, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:30", "text": "Dia noraisin\u2019 ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon\u2019 Andriamanitray. " }, { "verse": 31, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:31", "text": "Dia niala teo amin\u2019 ny ony Ahava izahay tamin\u2019 ny andro faharoa ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana. " }, { "verse": 32, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:32", "text": "Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha. " }, { "verse": 33, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:33", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-t\u00e0nan\u2019 i Meremota, zanak\u2019 i Oria mpisorona, tao an-tranon\u2019 Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak\u2019 i Finehasa; ary teo amin\u2019 izy roa lahy koa Jozabada, zanak\u2019 i Jesoa, sy Noadia, zanak\u2019 i Binoy; Levita izy roa lahy ireo; " }, { "verse": 34, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:34", "text": "an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin\u2019 izany andro izany ny lanjany rehetra. " }, { "verse": 35, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:35", "text": "Ary ny olona izay niverina avy tamin\u2019 ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an\u2019 Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr\u2019 ombilahy roa ambin\u2019 ny folo ho an\u2019 ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak\u2019 ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin\u2019 ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an\u2019 i Jehovah ireo rehetra ireo. " }, { "verse": 36, "chapter": 8, "name": "Ezra 8:36", "text": "Ary ny didin\u2019 ny mpanjaka dia natolony tamin\u2019 ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin\u2019 ny et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Ezra 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:1", "text": " Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin\u2019 ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan\u2019 ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:2", "text": "Fa efa naka tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 ireo ho vadiny sy ho vadin\u2019 ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin\u2019 ny olona tompon-tany ny taranaka mas\u00ecna; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin\u2019 izany fahadisoana izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:3", "text": "Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:4", "text": "Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin\u2019 Andriamanitry ny Isiraely ny amin\u2019 ny fahadisoan\u2019 ny olona izay efa niverina avy tamin\u2019 ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin\u2019 ny fotoan\u2019 ny fanatitra hariva. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:5", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny fotoan\u2019 ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin\u2019 i Jehovah Andriamanitro aho " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:6", "text": "ka nanao hoe: Andriamanitro \u00f4, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro \u00f4; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra; " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:7", "text": "fa hatramin\u2019 ny andron\u2019 ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:8", "text": "Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin\u2019 i Jehovah Andriamanitray tamin\u2019 ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin\u2019 ny nanomezany anay fihantonana eo amin\u2019 ny fitoerany mas\u00ecna, mba hohazavain\u2019 Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin\u2019 ny fahandevozanay izahay. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:9", "text": "Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin\u2019 Andriamanitray, na dia tamin\u2019 ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason\u2019 ireo mpanjakan\u2019 i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon\u2019 Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema. " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:10", "text": "Koa ankehitriny, ry Andriamanitray \u00f4, ahoana no holazainay amin\u2019 izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay, " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:11", "text": "dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan\u2019 ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany; " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:12", "text": "koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin\u2019 ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin\u2019 ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin\u2019 ny tany, dia hamela izany ho lovan\u2019 ny taranakareo mandrakizay. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:13", "text": "Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany, " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:14", "text": "fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin\u2019 ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory? " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Ezra 9:15", "text": "Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely \u00f4, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin\u2019 izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin\u2019 ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Ezra 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:1", "text": "Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin\u2019 ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin\u2019 ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:2", "text": "Dia namaly Sekania, zanak\u2019 i Jehiela, isan\u2019 ny taranak\u2019 i Elama, ka nanao tamin\u2019 i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin\u2019 Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin\u2019 ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an\u2019 ny Isiraely ny amin\u2019 izany zavatra izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:3", "text": "Koa aoka izahay hanao fanekena amin\u2019 Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin\u2019 Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lal\u00e0na izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:4", "text": "Mitsang\u00e0na, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:5", "text": "Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan\u2019 ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo. " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:6", "text": "Dia nitsangana niala teo anoloan\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra Ezra ka nankany amin\u2019 ny efi-trano nitoeran\u2019 i Johanana, zanak\u2019 i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan\u2019 ny olona izay efa niverina avy tamin\u2019 ny fahababoana. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:7", "text": "Dia nandefa teny eran\u2019 i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin\u2019 ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin\u2019 ny fahababoana mba hivory any Jerosalema; " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:8", "text": "ary na iza na iza no tsy tonga amin\u2019 ny hateloana araka ny tenin\u2019 ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin\u2019 ny fiangonan\u2019 ny olona izay efa niverina avy tamin\u2019 ny fahababoana izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:9", "text": "Ary nony tamin\u2019 ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin\u2019 ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin\u2019 ny andro faharoa-polo tamin\u2019 ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:10", "text": "Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan\u2019 ny Isiraely. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:11", "text": "Koa mitsora amin\u2019 i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin\u2019 ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:12", "text": "Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay; " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:13", "text": "nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra et\u1ef3 ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin\u2019 izany zavatra izany; " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:14", "text": "koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon\u2019 ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin\u2019 ny tan\u00e0nantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankat\u1ef3 amin\u2019 izay fotoan\u2019 andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tan\u00e0na sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan\u2019 izany raharaha izany sy ny hialan\u2019 ny firehetan\u2019 ny fahatezeran\u2019 Andriamanitsika amintsika. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:15", "text": "Jonatana, zanak\u2019 i Asahela, sy Jahaza, zanak\u2019 i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:16", "text": "Fa ny olona izay efa niverina avy tamin\u2019 ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin\u2019 ny lohan\u2019 ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana fahafolo. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:17", "text": "Ary nony tonga ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin\u2019 ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:18", "text": "Ary ny hita teo amin\u2019 ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin\u2019 ny taranak\u2019 i Jesoa, zanak\u2019 i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia; " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:19", "text": "dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:20", "text": "Ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 Imera dia Hanany sy Zebedia; " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:21", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia; " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:22", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa. " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:23", "text": "Ary ny avy tamin\u2019 ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera: " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:24", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin\u2019 ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory. " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:25", "text": "Ary ny avy tamin\u2019 ny Isiraely koa: ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia; " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:26", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia; " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:27", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza; " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:28", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay; " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:29", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota; " }, { "verse": 30, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:30", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase; " }, { "verse": 31, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:31", "text": "ary ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona " }, { "verse": 32, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:32", "text": "sy Benjamina sy Maloka ary Semaria; " }, { "verse": 33, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:33", "text": "ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey; " }, { "verse": 34, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:34", "text": "ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela " }, { "verse": 35, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:35", "text": "sy Benaia sy Bedeia sy Keloho " }, { "verse": 36, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:36", "text": "sy Vania sy Meremota sy Eliasiba " }, { "verse": 37, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:37", "text": "sy Matania sy Matenay sy Jasao " }, { "verse": 38, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:38", "text": "sy Bany sy Binoy sy Simey " }, { "verse": 39, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:39", "text": "sy Selemia sy Natana sy Adaia " }, { "verse": 40, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:40", "text": "sy Maknadebay sy Sasay sy Saray " }, { "verse": 41, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:41", "text": "sy Azarela sy Selemia sy Semaria " }, { "verse": 42, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:42", "text": "sy Saloma sy Amaria ary Josefa; " }, { "verse": 43, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:43", "text": "ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia. " }, { "verse": 44, "chapter": 10, "name": "Ezra 10:44", "text": "Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin\u2019 ireny " } ] } ] }, { "name": "Nehemiah", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:1", "text": "Ny tantaran\u2019 i Nehemia, zanak\u2019 i Hakalia. Tamin\u2019 ny volana Kisleo tamin\u2019 ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho, " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:2", "text": "dia tonga Hanany, anankiray amin\u2019 ny rahalahiko, mbamin\u2019 ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin\u2019 ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin\u2019 ny fahababoana, ary ny amin\u2019 i Jerosalema. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:3", "text": "Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin\u2019 ny fahababoana izay any amin\u2019 ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan\u2019 i Jerosalema sady nodoran\u2019 ny afo ny vavahadiny. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:4", "text": "Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan\u2019 Andriamanitry ny lanitra " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:5", "text": "ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin\u2019 izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:6", "text": "aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman\u2019 alina ho an\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:7", "text": "Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lal\u00e0na, na ny fitsipika, izay nandidianao an\u2019 i Mosesy mpanomponao. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:8", "text": "Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an\u2019 i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin\u2019 ny firenena maro Aho; " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:9", "text": "nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankat\u00f2 azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin\u2019 ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:10", "text": "Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin\u2019 ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Nehemiah 1:11", "text": "Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah \u00f4, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin\u2019 ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason\u2019 io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:1", "text": "Ary tamin\u2019 ny volana Nisana tamin\u2019 ny taona faharoa-polo nanjakan\u2019 i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:2", "text": "Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:3", "text": "ka nanao tamin\u2019 ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tan\u00e0na misy ny fasan-drazako, sady efa levon\u2019 ny afo ny vavahadiny? " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:4", "text": "Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin\u2019 Andriamanitry ny lanitra aho aloha, " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:5", "text": "dia vao niteny tamin\u2019 ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin\u2019 ny tan\u00e0na misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:6", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin\u2019 ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:7", "text": "Ary hoy koa aho tamin\u2019 ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin\u2019 ireo governora any an-dafin\u2019 ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda, " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:8", "text": "sy taratasy ho amin\u2019 i Asafa, mpitandrina ny alan\u2019 i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin\u2019 ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan\u2019 ny tan\u00e0na sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen\u2019 ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitro tamiko. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:9", "text": "Dia tonga tany amin\u2019 ireo governora any an-dafin\u2019 ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin\u2019 ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:10", "text": "Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak\u2019 Isiraely. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:11", "text": "Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:12", "text": "Ary nifoha tamin\u2019 ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin\u2019 Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:13", "text": "Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin\u2019 ny vavahady mankany amin\u2019 ny lohasaha, tandrifin\u2019 ny loharanon\u2019 ny dragona, sy tamin\u2019 ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan\u2019 i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon\u2019 ny afo. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:14", "text": "Dia nankany amin\u2019 ny vavahadin-doharano sy ny farihin\u2019 ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon\u2019 ilay biby nitaingenako naleha akory. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:15", "text": "Dia niakatra teo amin\u2019 ny lohasahan-driaka aho tamin\u2019 ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin\u2019 ny vavahady mankany amin\u2019 ny lohasaha, dia niverina. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:16", "text": "Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin\u2019 izay dia tsy mbola nolazaiko tamin\u2019 ny Jiosy izany, na tamin\u2019 ny mpisorona, na tamin\u2019 ny manan-kaja, na tamin\u2019 ny mpanapaka, na tamin\u2019 ny vahoaka sisa izay nanao ny asa. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:17", "text": "Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika, fa rava Jerosalema ary nodoran\u2019 ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan\u2019 i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:18", "text": "Dia nambarako azy ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin\u2019 ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny t\u00e0nany hanao izany soa izany izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:19", "text": "Fa nony ren\u2019 i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin\u2019 ny mpanjaka angaha ianareo? " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Nehemiah 2:20", "text": "Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, at\u1ef3 Jerosalema. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:1", "text": "Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin\u2019 ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin\u2019 ny tilikambo Hamea ka hatramin\u2019 ny tilikambo Hananela no nohamasininy. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:2", "text": "Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak\u2019 Imry. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:3", "text": "Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak\u2019 i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin\u2019 ny hidiny sy ny vavombiny. " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:4", "text": "Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak\u2019 i Oria, zanak\u2019 i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak\u2019 i Berekia, zanak\u2019 i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak\u2019 i Bana. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:5", "text": "Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Teko\u00efta; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin\u2019 ny fanompoana ny Tompony. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:6", "text": "Ary ny vavahady taloha dia namboarin\u2019 i Joiada, zanak\u2019 i Pasea, sy Mesolama, zanak\u2019 i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin\u2019 ny hidiny sy ny vavombiny. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:7", "text": "Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin\u2019 ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny governora et\u1ef3 an-dafin\u2019 ny ony et\u1ef3. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:8", "text": "Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak\u2019 i Haraia, isan\u2019 ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan\u2019 ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an\u2019 i Jerosalema izy hatramin\u2019 ny mand\u00e0 lehibe. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:9", "text": "Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia, zanak\u2019 i Hora, komandin\u2019 ny antsasaky ny fehin\u2019 i Jerosalema. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:10", "text": "Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak\u2019 i Haromafa, dia ny teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak\u2019 i Hasabnia. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:11", "text": "Ny sasany koa mbamin\u2019 ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin\u2019 i Malkia, zanak\u2019 i Harima, sy Hasoba, zanak\u2019 i Pahatamoaba. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:12", "text": "Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak\u2019 i Halohesy, komandin\u2019 ny antsasaky ny fehin\u2019 i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:13", "text": "Ny vavahady mankamin\u2019 ny lohasaha dia namboarin\u2019 i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin\u2019 ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin\u2019 ny manda hatramin\u2019 ny vavahadin-jezika. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:14", "text": "Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin\u2019 i Malkia, zanak\u2019 i Rekaba, komandin\u2019 ny fehin\u2019 i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin\u2019 ny hidiny sy ny vavombiny. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:15", "text": "Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin\u2019 i Saloma, zanak\u2019 i Kola-hoze, komandin\u2019 ny fehin\u2019 i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin\u2019 ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan\u2019 ny farihy Siloa, teo anilan\u2019 ny sahan\u2019 ny mpanjaka, ka hatramin\u2019 ny ambaratonga mid\u00ecna avy any an-Tan\u00e0nan\u2019 i Davida. " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:16", "text": "Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak\u2019 i Azboka, komandin\u2019 ny antsasaky ny fehin\u2019 i Beti-zora, hatramin\u2019 ny teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ireo fasan\u2019 i Davida ka hatramin\u2019 ny farihy izay natao ary hatramin\u2019 ny tranon\u2019 ny lehilahy mahery. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:17", "text": "Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak\u2019 i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin\u2019 ny antsasaky ny fehin\u2019 i Keila, ho an\u2019 ny fehiny. " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:18", "text": "Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak\u2019 i Henadada, komandin\u2019 ny antsasaky ny fehin\u2019 i Keila. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:19", "text": "Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin\u2019 i Ezera, zanak\u2019 i Jesoa, komandin\u2019 i Mizpa, teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny fiakarana ho any amin\u2019 ny trano fitehirizam-piadiana eo amin\u2019 ny fiolahana. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:20", "text": "Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak\u2019 i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin\u2019 ny fiolahana ka hatramin\u2019 ny varavaran\u2019 ny tranon\u2019 i Eliasiba mpisoronabe. " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:21", "text": "Manarakaraka io koa dia nisy namboarin\u2019 i Meremota, zanak\u2019 i Oria, zanak\u2019 i Hakoza, hatramin\u2019 ny varavaran\u2019 ny tranon\u2019 i Eliasiba ka hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny tranon\u2019 i Eliasiba. " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:22", "text": "Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin\u2019 ny tany lemaka. " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:23", "text": "Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak\u2019 i Mahaseia, zanak\u2019 i Anania, teo anilan\u2019 ny tranony ihany. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:24", "text": "Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin\u2019 i Binoy, zanak\u2019 i Henadada, hatramin\u2019 ny tranon\u2019 i Azaria ka hatramin\u2019 ny fiolahana eo amin\u2019 ny zorony. " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:25", "text": "Ary Palala, zanak\u2019 i Ozay, koa, dia ny teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny fiolahana sy izay mandroso eo amin\u2019 ny tilikambo ambony, eo amin\u2019 ny ranon\u2019 ny mpanjaka, eo akaikin\u2019 ny tokotanin\u2019 ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak\u2019 i Parosy. " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:26", "text": "Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin\u2019 ny tilikambo. " }, { "verse": 27, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:27", "text": "Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin\u2019 ny Teko\u00efta, teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny mandroso eo amin\u2019 ny tilikambo lehibe ka hatramin\u2019 ny mandan\u2019 i Ofela. " }, { "verse": 28, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:28", "text": "Hatreo ambonin\u2019 ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin\u2019 ny mpisorona, dia samy ny teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny tranony avy. " }, { "verse": 29, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:29", "text": "Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak\u2019 Imera, dia ny teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak\u2019 i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. " }, { "verse": 30, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:30", "text": "Manarakaraka io koa dia nisy namboarin\u2019 i Hanania, zanak\u2019 i Setemia, sy Hanona, fahenin\u2019 ny zanak\u2019 i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak\u2019 i Berekia, dia ny teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny efi-tranony ihany. " }, { "verse": 31, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:31", "text": "Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan\u2019 ny mpanefy volamena, hatramin\u2019 ny tranon\u2019 ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny vavahady Mifikada ka hatramin\u2019 ny trano ambony teo an-jorony. " }, { "verse": 32, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:32", "text": "Ary ny teo anelanelan\u2019 ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin\u2019 ondry no namboarin\u2019 ny mpanefy volamena sy ny mpandranto. " }, { "verse": 33, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:33", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy, " }, { "verse": 34, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:34", "text": "dia niteny teo anatrehan\u2019 ny namany sy ny miaramilan\u2019 i Samaria hoe: Inona no ataon\u2019 ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin\u2019 ny lavenona miavosa va ireo? " }, { "verse": 35, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:35", "text": "Ary Tobia Amonita dia teo anilan\u2019 i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboahaolo aza miakatra eo amin\u2019 izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony. " }, { "verse": 36, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:36", "text": "Mihainoa, ry Andriamanitray \u00f4, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin\u2019 ny tany izay ahababoany izy. " }, { "verse": 37, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:37", "text": "Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan\u2019 ireo mandrafitra izy. " }, { "verse": 38, "chapter": 3, "name": "Nehemiah 3:38", "text": "Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin\u2019 ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:1", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan\u2019 i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany. " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:2", "text": "Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an\u2019 i Jerosalema ka hanimba ny asa. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:3", "text": "Dia nivavaka tamin\u2019 Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman\u2019 alina noho ny fahatahoranay azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:4", "text": "Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin\u2019 ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:5", "text": "Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:6", "text": "Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin\u2019 ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena at\u1ef3 aminay, " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:7", "text": "dia nasiako olona teo amin\u2019 ny fitoerana ambany, teo ivelan\u2019 ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nit\u00e0na sabatra sy lefona ary tsip\u00ecka. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:8", "text": "Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin\u2019 ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin\u2019 ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:9", "text": "Ary nony ren\u2019 ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan\u2019 Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin\u2019 ny manda izahay rehetra, samy ho amin\u2019 ny asany avy indray. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:10", "text": "Ary hatramin\u2019 izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nit\u00e0na lefona aman\u2019 ampinga sy tsip\u00ecka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon\u2019 ny fianakaviana rehetra amin\u2019 ny Joda. " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:11", "text": "Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin\u2019 ny t\u00e0nany anankiray, ary nitan-defona kosa ny t\u00e0nany anankiray. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:12", "text": "Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin\u2019 ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:13", "text": "Ary hoy izaho tamin\u2019 ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin\u2019 ny manda isika ka mifanalavitra. " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:14", "text": "Koa eo amin\u2019 izay fitoerana andrenesanareo ny feon\u2019 ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:15", "text": "Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin\u2019 ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:16", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany dia hoy koa aho tamin\u2019 ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin\u2019 ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Nehemiah 4:17", "text": "Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin\u2019 ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:1", "text": "Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin\u2019 ny Jiosy rahalahiny. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:2", "text": "Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin\u2019 ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:3", "text": "Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:4", "text": "Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran\u2019 ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:5", "text": "Kanefa mba tahaka ny nofon\u2019 ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin\u2019 ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan\u2019 ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:6", "text": "Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:7", "text": "Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampan\u00e0na zavatra amin\u2019 ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:8", "text": "Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin\u2019 ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:9", "text": "Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin\u2019 ny fahatahorana an\u2019 Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian\u2019 ny jentilisa fahavalontsika? " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:10", "text": "Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampan\u00e0na vola sy vary taminy; koa mas\u00ecna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany; " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:11", "text": "eny, mas\u00ecna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin\u2019 olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton\u2019 ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:12", "text": "Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany, " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:13", "text": "sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan\u2019 Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin\u2019 ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an\u2019 i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:14", "text": "Ary koa, hatramin\u2019 ny andro nanendrena ahy ho governora amin\u2019 ny tany Joda, dia hatramin\u2019 ny taona faharoa-polo ka hatramin\u2019 ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan\u2019 i Artaksersesy, dia roa ambin\u2019 ny folo taona izay, izaho sy ny raha! ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman\u2019 ny governora. " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:15", "text": "Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin\u2019 ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:16", "text": "Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:17", "text": "Ary teo amin\u2019 ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin\u2019 ny firenena manodidina anay. " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:18", "text": "Ary ny namboarina ho ahy isan\u2019 andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman\u2019 ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Nehemiah 5:19", "text": "Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro \u00f4, araka izay rehetra nataoko ho an\u2019 ity firenena ity. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:1", "text": "Ary rehefa ren\u2019 i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin\u2019 ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin\u2019 izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady), " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:2", "text": "dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin\u2019 izay vohitra anankiray amin\u2019 ny tany lemak\u2019 i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:3", "text": "Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-mid\u00ecna aho; nahoana no hilaozako mid\u00ecna any aminareo ny asa ka hatsahatra? " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:4", "text": "Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:5", "text": "Dia nirahin\u2019 i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-t\u00e0nany, " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:6", "text": "izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin\u2019 ny firenena maro izao teny izao, sady lazain\u2019 i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao, " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:7", "text": "sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren\u2019 ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:8", "text": "Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:9", "text": "Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin\u2019 ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako! " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:10", "text": "Ary izaho dia tonga tao an-tranon\u2019 i Semaia, zanak\u2019 i Delaia, zanak\u2019 i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon\u2019 Andriamanitra ao anatin\u2019 ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:11", "text": "Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin\u2019 ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:12", "text": "Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan\u2019 i Tobia sy Sanbala. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:13", "text": "Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:14", "text": "Ry Andriamanitro \u00f4, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin\u2019 i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:15", "text": "Dia vita tamin\u2019 ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin\u2019 ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin\u2019 ny volana Elola. " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:16", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavit\u00e0na izany asa izany. " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:17", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany ny manan-kaja amin\u2019 ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin\u2019 i Tobia, ary ny avy tamin\u2019 i Tobia kosa tonga tany aminy. " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:18", "text": "Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton\u2019 i Sekania, zanak\u2019 i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin\u2019 i Mesolama, zanak\u2019 i Berekia. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Nehemiah 6:19", "text": "Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:1", "text": "Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita, " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:2", "text": "dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben\u2019 ny tao an-dapa, hitandrina an\u2019 i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an\u2019 Andriamanitra mihoatra noho ny maro. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:3", "text": "Koa hoy izaho tamin\u2019 ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin\u2019 i Jerosalema mandra-pahafanan\u2019 ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin\u2019 izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin\u2019 ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin\u2019 ny tandrifin\u2019 ny tranony avy. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:4", "text": "Ary malalaka sy lehibe ny tan\u00e0na, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:5", "text": "Ary nomen\u2019 Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin\u2019 ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan\u2019 izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao: " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:6", "text": "Izao no lehilahy amin\u2019 izany tany izany, izay niakatra avy tamin\u2019 ny fahababoana, dia ireo nobaboin\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tan\u00e0nany avy, " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:7", "text": "dia ny olona izay niaraka tamin\u2019 i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan\u2019 ny lehilahy tamin\u2019 ny Isiraely dia izao: " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:8", "text": "Ny taranak\u2019 i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo; " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:9", "text": "ny taranak\u2019 i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:10", "text": "ny taranak\u2019 i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:11", "text": "ny taranak\u2019 i Pahatamoaba, dia avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin\u2019 ny folo amby valon-jato sy roa arivo; " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:12", "text": "ny taranak\u2019 i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:13", "text": "ny taranak\u2019 i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato; " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:14", "text": "ny taranak\u2019 i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato; " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:15", "text": "ny taranak\u2019 i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:16", "text": "ny taranak\u2019 i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:17", "text": "ny taranak\u2019 Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo; " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:18", "text": "ny zanak\u2019 i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:19", "text": "ny taranak\u2019 i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo; " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:20", "text": "ny taranak\u2019 i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:21", "text": "ny taranak\u2019 i Atera, avy tamin\u2019 i Hezekia, dia valo amby sivi-folo; " }, { "verse": 22, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:22", "text": "ny taranak\u2019 i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 23, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:23", "text": "ny taranak\u2019 i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 24, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:24", "text": "ny taranak\u2019 i Harifa dia roa ambin\u2019 ny folo amby zato; " }, { "verse": 25, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:25", "text": "ny taranak\u2019 i Gibeona dia dimy amby sivi-folo. " }, { "verse": 26, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:26", "text": "Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato; " }, { "verse": 27, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:27", "text": "ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato; " }, { "verse": 28, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:28", "text": "ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo; " }, { "verse": 29, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:29", "text": "ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato; " }, { "verse": 30, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:30", "text": "ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato; " }, { "verse": 31, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:31", "text": "ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato; " }, { "verse": 32, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:32", "text": "ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato; " }, { "verse": 33, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:33", "text": "ny mponina tany amin\u2019 ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo; " }, { "verse": 34, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:34", "text": "ny zanak\u2019 ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; " }, { "verse": 35, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:35", "text": "ny zanak\u2019 i Harima dia roa-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 36, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:36", "text": "ny zanak\u2019 i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato; " }, { "verse": 37, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:37", "text": "ny zanak\u2019 i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato; " }, { "verse": 38, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:38", "text": "ny zanak\u2019 i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo. " }, { "verse": 39, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:39", "text": "Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Jedaia, avy tamin\u2019 ny mpianakavin\u2019 i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato; " }, { "verse": 40, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:40", "text": "ny taranak\u2019 Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo; " }, { "verse": 41, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:41", "text": "ny taranak\u2019 i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo; " }, { "verse": 42, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:42", "text": "ny taranak\u2019 i Harima dia fito ambin\u2019 ny folo sy arivo. " }, { "verse": 43, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:43", "text": "Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak\u2019 i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Hodavia, dia efatra amby fito-polo. " }, { "verse": 44, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:44", "text": "Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato. " }, { "verse": 45, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:45", "text": "Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Saloma, ny taranak\u2019 i Atera, ny taranak\u2019 i Talmona, ny taranak\u2019 i Akoba, ny taranak\u2019 i Hatita, ny taranak\u2019 i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato. " }, { "verse": 46, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:46", "text": "Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Ziha, ny taranak\u2019 i Hasofa, ny taranak\u2019 i Tabaota, " }, { "verse": 47, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:47", "text": "ny taranak\u2019 i Kerosa, ny taranak\u2019 i Sia, ny taranak\u2019 i Padona, " }, { "verse": 48, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:48", "text": "ny taranak\u2019 i Lebana, ny taranak\u2019 i Hagaba, ny taranak\u2019 i Salmay, " }, { "verse": 49, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:49", "text": "ny taranak\u2019 i Hanana, ny taranak\u2019 i Gidela, ny taranak\u2019 i Gahara, " }, { "verse": 50, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:50", "text": "ny taranak\u2019 i Reaia, ny taranak\u2019 i Rezina, ny taranak\u2019 i Nekoda, " }, { "verse": 51, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:51", "text": "ny taranak\u2019 i Gazama, ny taranak\u2019 i Oza, ny taranak\u2019 i Pasea, " }, { "verse": 52, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:52", "text": "ny taranak\u2019 i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, " }, { "verse": 53, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:53", "text": "ny taranak\u2019 i Bakboka, ny taranak\u2019 i Hakafa, ny taranak\u2019 i Harora, " }, { "verse": 54, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:54", "text": "ny taranak\u2019 i Bazlita, ny taranak\u2019 i Mehida, ny taranak\u2019 i Harsa, " }, { "verse": 55, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:55", "text": "ny taranak\u2019 i Barkosa, ny taranak\u2019 i Sisera, ny taranak\u2019 i Tema, " }, { "verse": 56, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:56", "text": "ny taranak\u2019 i Nezia, ny taranak\u2019 i Hatifa. " }, { "verse": 57, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:57", "text": "Ary ny taranaky ny mpanompon\u2019 i Solomona koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Sotahy, ny taranak\u2019 i Sofereta, ny zanak\u2019 i Perida, " }, { "verse": 58, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:58", "text": "ny taranak\u2019 i Jala, ny taranak\u2019 i Darkona, ny taranak\u2019 i Gidela, " }, { "verse": 59, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:59", "text": "ny taranak\u2019 i Sefatia, ny taranak\u2019 i Hatila, ny taranak\u2019 i Pokereta-hazebaima, ny taranak\u2019 i Amona. " }, { "verse": 60, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:60", "text": "Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon\u2019 i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato. " }, { "verse": 61, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:61", "text": "Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin\u2019 ny Isiraely na tsia, izy): " }, { "verse": 62, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:62", "text": "ny taranak\u2019 i Delaia, ny taranak\u2019 i Tobia, ny taranak\u2019 i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato. " }, { "verse": 63, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:63", "text": "Ary ny avy tamin\u2019 ny mpisorona dia izao: Ny taranak\u2019 i Hobaia, ny taranak\u2019 i Hakoza, ny taranak\u2019 i Barzilay; nampaka-bady avy tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany. " }, { "verse": 64, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:64", "text": "Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin\u2019 ny fisoronana. " }, { "verse": 65, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:65", "text": "Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-mas\u00ecna indrindra izy mandra-pitsangan\u2019 izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. " }, { "verse": 66, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:66", "text": "Ny tontalin\u2019 ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina, " }, { "verse": 67, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:67", "text": "afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy; " }, { "verse": 68, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:68", "text": "ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato; " }, { "verse": 69, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:69", "text": "ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo. " }, { "verse": 70, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:70", "text": "Ary ny sasany tamin\u2019 ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin\u2019 ny rakitra. " }, { "verse": 71, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:71", "text": "Ary ny sasany tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin\u2019 ny rakitra hanaovana ny asa. " }, { "verse": 72, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:72", "text": "Ary izay nomen\u2019 ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo. " }, { "verse": 73, "chapter": 7, "name": "Nehemiah 7:73", "text": "Ary samy tafapetraka teny an-tan\u00e0nany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin\u2019 ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:1", "text": "Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tan\u00e0nany avy ny Zanak\u2019 Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan\u2019 ny vavahadin-drano; ary niteny tamin\u2019 i Ezra mpanora-dal\u00e0na izy mba ho entiny ny bokin\u2019 ny lalan\u2019 i Mosesy izay nandidian\u2019 i Jehovah ny Isiraely. " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:2", "text": "Dia nentin\u2019 i Ezra mpisorona ny lal\u00e0na tamin\u2019 ny andro voalohany tamin\u2019 ny volana fahafito ho eo anatrehan\u2019 ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin\u2019 izay rehetra efa mahahaino. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:3", "text": "Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan\u2019 ny vavahadin-drano izy hatramin\u2019 ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan\u2019 ny andro, dia teo anatrehan\u2019 ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin\u2019 izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin\u2019 ny lal\u00e0na. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:4", "text": "Ary Ezra mpanora-dal\u00e0na nitsangana teo ambonin\u2019 ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:5", "text": "Dia nosokafan\u2019 i Ezra teo imason\u2019 ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:6", "text": "Ary Ezra nisaotra an\u2019 i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin\u2019 ny tany teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:7", "text": "Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lal\u00e0na; ary ny olona dia teo amin\u2019 izay nitoerany ihany. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:8", "text": "Dia novakiny mazava ny teny tao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon\u2019 ny olona tsara ny teny novakina. " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:9", "text": "Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dal\u00e0na, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin\u2019 ny olona rehetra hoe: Mas\u00ecna ho an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin\u2019 ny lal\u00e0na. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:10", "text": "Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa mas\u00ecna ho an\u2019 ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin\u2019 i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:11", "text": "Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mang\u00ecna ianareo, fa mas\u00ecna ity andro ity; koa aza malahelo ianareo. " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:12", "text": "Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an\u2019 ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:13", "text": "Ary nony ampitson\u2019 iny dia vory teo amin\u2019 i Ezra mpanora-dal\u00e0na ny lohan\u2019 ny fianakaviana tamin\u2019 ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin\u2019 ny lal\u00e0na. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:14", "text": "Dia hitany voasoratra teo amin\u2019 ny lal\u00e0na, izay nampandidian\u2019 i Jehovah an\u2019 i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin\u2019 ny trano rantsan-kazo ny Zanak\u2019 Isiraely amin\u2019 ny andro firavoravoana amin\u2019 ny volana fahafito, " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:15", "text": "ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tan\u00e0nany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka mak\u00e0 sampan\u2019 oliva sy sampan\u2019 oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:16", "text": "Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin\u2019 ny tampon-tranony avy sy teo anatin\u2019 ny tokotaniny avy sy teo anatin\u2019 ny kianjan\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin\u2019 ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin\u2019 ny vavahadin\u2019 i Efraima. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:17", "text": "Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin\u2019 ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak\u2019 Isiraely hatramin\u2019 ny andron\u2019 i Josoa, zanak\u2019 i Nona, ka hatramin\u2019 izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra. " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Nehemiah 8:18", "text": "Ary namaky ny teny tao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitra isan\u2019 andro isan\u2019 andro izy hatramin\u2019 ny andro voalohany ka hatramin\u2019 ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin\u2019 ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:1", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahefatra amby roa-polo tamin\u2019 izany volana izany dia niangona ny Zanak\u2019 Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany. " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:2", "text": "Dia niavaka tamin\u2019 ny olona hafa firenena rehetra ny taranak\u2019 Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:3", "text": "Ary nitsangana teo amin\u2019 ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah Andriamaniny tamin\u2019 ny ampahefatry ny andro; ary tamin\u2019 ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan\u2019 i Jehovah Andriamaniny izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:4", "text": "Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin\u2019 ny lampihazon\u2019 ny Levita ka nitaraina mafy tamin\u2019 i Jehovah Andriamaniny. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:5", "text": "Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an\u2019 i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin\u2019 ny fisaorana sy ny fiderana rehetra. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:6", "text": "Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin\u2019 izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:7", "text": "Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an\u2019 i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran\u2019 ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama; " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:8", "text": "ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin\u2019 ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an\u2019 ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao. " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:9", "text": "Ary nahita ny fahorian\u2019 ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron\u2019 ny Ranomasina Mena, " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:10", "text": "dia nanao famantarana sy fahagagana tamin\u2019 i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin\u2019 ny olona rehetra tany amin\u2019 ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin\u2019 izao anio izao. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:11", "text": "Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan\u2019 ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin\u2019 ny lalina tahaka ny vato amin\u2019 ny rano manonja. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:12", "text": "Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:13", "text": "Efa nidina tao ambonin\u2019 ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:14", "text": "Ary nampahalala azy ny Sabatanao mas\u00ecna Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lal\u00e0na taminy; " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:15", "text": "ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin\u2019 ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tan\u00e0na homena azy izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:16", "text": "Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao, " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:17", "text": "ary nand\u00e0 tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin\u2019 ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:18", "text": "Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy; " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:19", "text": "kanefa noho ny haben\u2019 ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:20", "text": "Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin\u2019 ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy; " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:21", "text": "eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:22", "text": "Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin\u2019 i Sihona sy ny tanin\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Hesbona ary ny tanin\u2019 i Oga, mpanjakan\u2019 i Basana, izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:23", "text": "Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin\u2019 ny lanitra, sady nentinao ho amin\u2019 ny tany izay nolazainao tamin\u2019 ny razany fa hidirany holovana. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:24", "text": "Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin\u2019 ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony. " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:25", "text": "Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin\u2019 ny fahatsaranao lehibe. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:26", "text": "Kanefa nand\u00e0 izy sady niodina taminao ary nanary ny lal\u00e0nao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:27", "text": "Koa dia natolotrao ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin\u2019 ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben\u2019 ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalony ireo. " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:28", "text": "Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben\u2019 ny fiantranao. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:29", "text": "Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin\u2019 ny lal\u00e0nao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankat\u00f2 azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino. " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:30", "text": "Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin\u2019 ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny firenena amin\u2019 ny tany hafa. " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:31", "text": "Nefa noho ny haben\u2019 ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao. " }, { "verse": 32, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:32", "text": "Koa ankehitriny, ry Andriamanitray \u00f4, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin\u2019 ny andron\u2019 ireo mpanjakan\u2019 i Asyria ka mandraka androany. " }, { "verse": 33, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:33", "text": "Hianao no marina tamin\u2019 izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy; " }, { "verse": 34, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:34", "text": "ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lal\u00e0nao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy. " }, { "verse": 35, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:35", "text": "Fa tsy nanompo Anao teo amin\u2019 ny fanjakany izy sy teo amin\u2019 ny haben\u2019 ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin\u2019 ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin\u2019 ny ratsy fanaony izy. " }, { "verse": 36, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:36", "text": "Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin\u2019 ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay; " }, { "verse": 37, "chapter": 9, "name": "Nehemiah 9:37", "text": "ary mahavokatra be izy, kanefa ho an\u2019 ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:1", "text": "Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:2", "text": "Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak\u2019 i Hakalia, sy Zedekia, " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:3", "text": "ary Seraia, Azaria, Jeremia, " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:4", "text": "Pasora, Amaria, Malkia, " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:5", "text": "Hatosy, Sebania, Maloka, " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:6", "text": "Harima, Meremota, Obadia, " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:7", "text": "Daniela, Ginetona, Baroka, " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:8", "text": "Mesolama, Abia, Miamina, " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:9", "text": "Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:10", "text": "Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak\u2019 i Azania, Binoy isan\u2019 ny zanak\u2019 i Henadada, ary Kadmiela; " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:11", "text": "ary ny rahalahin\u2019 ireo dia Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana, " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:12", "text": "Mika, Rehoba, Hasabia, " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:13", "text": "Zakora, Serebia, Sebania, " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:14", "text": "Hodia, Bany Benino. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:15", "text": "Ary ny loholona kosa dia Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany, " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:16", "text": "Bony, Azgada, Bebay, " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:17", "text": "Adonia, Bigvay, Adina, " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:18", "text": "Atera, Hezekia, Azora, " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:19", "text": "Hodia, Hasoma, Bezay, " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:20", "text": "Harifa, Anatota, Nebay, " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:21", "text": "Magpiasy, Mesolama, Hezira, " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:22", "text": "Mesezabela, Zadoka, Jadoa, " }, { "verse": 23, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:23", "text": "Pelatia, Hanana, Anaia, " }, { "verse": 24, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:24", "text": "Hosea, Hanania, Hasoba, " }, { "verse": 25, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:25", "text": "Halohesy, Pila, Sobeka, " }, { "verse": 26, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:26", "text": "Rehoma, Hasabna, Mahaseia, " }, { "verse": 27, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:27", "text": "Ahia, Hanana, Anana, " }, { "verse": 28, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:28", "text": "Maloka, Harima, Bana. " }, { "verse": 29, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:29", "text": "Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin\u2019 ny tompon-tany hanaraka ny lal\u00e0n\u2019 Andriamanitra mbamin\u2019 ny vadin\u2019 ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino, " }, { "verse": 30, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:30", "text": "dia samy nikambana tsara tamin\u2019 ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan\u2019 Andriamanitra, izay nampilazaina an\u2019 i Mosesy, mpanompon\u2019 Andriamanitra, ary hitandrina sy hankat\u00f2 ny didy rehetra izay nataon\u2019 i Jehovah Tompontsika mbamin\u2019 ny fitsipika sy ny lal\u00e0ny; " }, { "verse": 31, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:31", "text": "ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin\u2019 ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin\u2019 ny zanakai-lahy; " }, { "verse": 32, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:32", "text": "tsy hividy zavatra amin\u2019 ny andro Sabata, na amin\u2019 izay andro mas\u00ecna, raha misy entana na vary entin\u2019 ny tompon-tany hamidy amin\u2019 ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin\u2019 ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra. " }, { "verse": 33, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:33", "text": "Ary nanao lal\u00e0na ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon\u2019 Andriamanitsika: " }, { "verse": 34, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:34", "text": "dia ho amin\u2019 ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin\u2019 ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin\u2019 ny zava-mas\u00ecna sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an\u2019 ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon\u2019 Andriamanitsika. " }, { "verse": 35, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:35", "text": "Ary nanao filokana izahay ny amin\u2019 ny hanateran\u2019 ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon\u2019 Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin\u2019 ny fotoan\u2019 andro isan-taona, handoroana eo ambonin\u2019 ny alitaran\u2019 i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin\u2019 ny lal\u00e0na, " }, { "verse": 36, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:36", "text": "ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon\u2019 i Jehovah isan-taona isan-taona; " }, { "verse": 37, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:37", "text": "ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin\u2019 ny lal\u00e0na, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman\u2019 osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon\u2019 i Jehovah Andriamanitsika, ho an\u2019 ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon\u2019 Andriamanitsika; " }, { "verse": 38, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:38", "text": "ary mba hitondranay ho an\u2019 ny mpisorona koa ny voalohan\u2019 ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin\u2019 ny efi-trano ao an-tranon\u2019 Andriamanitsika, ary ny ampahafolon\u2019 ny vokatry ny taninay ho an\u2019 ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tan\u00e0na rehetra akaikin\u2019 ny fambolenay. " }, { "verse": 39, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:39", "text": "Ary hisy mpisorona anankiray, taranak\u2019 i Arona, hiaraka amin\u2019 ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon\u2019 ny fahafolon-karena dia ho entin\u2019 ny Levita miakatra ho ao an-tranon\u2019 Andriamanitsika, ho ao amin\u2019 ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra. " }, { "verse": 40, "chapter": 10, "name": "Nehemiah 10:40", "text": "Fa ho ao amin\u2019 ireo efi-trano ireo no hitondran\u2019 ny Zanak\u2019 Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin\u2019 ilay itoeran\u2019 ny fanaky ny fitoerana mas\u00ecna sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon\u2019 Andriamanitsika izahay. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:1", "text": "Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tan\u00e0na mas\u00ecna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tan\u00e0na hafa. " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:2", "text": "Ary nisaoran\u2019 ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:3", "text": "Ary izao no ben\u2019 ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tan\u00e0nan\u2019 ny Joda samy nonina tao amin\u2019 ny taniny avy, tao an-tan\u00e0nany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon\u2019 i Solomona. " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:4", "text": "Ary tany Jerosalema no nonenan\u2019 ny sasany tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda sy ny taranak\u2019 i Benjamina. Ny avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda dia Ataia, zanak\u2019 i Ozia, zanak\u2019 i Zakaria, zanak\u2019 i Amaria, zanak\u2019 i Sefatia, zanak\u2019 i Mahalalila, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Fareza; " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:5", "text": "ary Mahaseia, zanak\u2019 i Baroka, zanak\u2019 i Kola-hoze, zanak\u2019 i Hazaia, zanak\u2019 i Adaia, zanak\u2019 i Joariba, zanak\u2019 i Zakaria, zanak\u2019 ilay Silonita. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:6", "text": "Ny taranak\u2019 i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:7", "text": "Ary izao no taranak\u2019 i Benjamina: Salo, zanak\u2019 i Mesolama, zanak\u2019 i Joeda, zanak\u2019 i Pedaia, zanak\u2019 i Kolaia, zanak\u2019 i Mahaseia, zanak\u2019 Itiela, zanak\u2019 i Jesaia; " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:8", "text": "ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato. " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:9", "text": "Ary Joela, zanak\u2019 i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak\u2019 i Senoa, no lefitry ny komandin\u2019 ny tan\u00e0na. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:10", "text": "Ny avy tamin\u2019 ny mpisorona dia Jedaia, zanak\u2019 i Joariba, ary Jakina. " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:11", "text": "Ary Seraia, zanak\u2019 i Hilkia, zanak\u2019 i Mesolama, zanak\u2019 i Zadoka, zanak\u2019 i Meraiota, zanak\u2019 i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:12", "text": "Ary ny rahalahin\u2019 ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak\u2019 i Jerohama, zanak\u2019 i Pelalia, zanak\u2019 i Amzy, zanak\u2019 i Zakaria, zanak\u2019 i Pasora, zanak\u2019 i Malkia, " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:13", "text": "ary ny rahalahiny, izay samy lohan\u2019 ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak\u2019 i Azarela, zanak\u2019 i Ahazay, zanak\u2019 i Mesilemota, zanak\u2019 Imera, " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:14", "text": "mbamin\u2019 ny rahalahin\u2019 ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak\u2019 i Hagedolima, no mpifehy azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:15", "text": "Ary ny avy tamin\u2019 ny Levita dia Semaia, zanak\u2019 i Hasoba, zanak\u2019 i Azrikama, zanak\u2019 i Hasabia, zanak\u2019 i Bony; " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:16", "text": "ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny Levita, no tonian\u2019 ny raharaha teo ivelan\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:17", "text": "Ary Matania, zanak\u2019 i Mika, zanak\u2019 i Zabdy, zanak\u2019 i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin\u2019 ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak\u2019 i Samoa, zanak\u2019 i Galala, zanak\u2019 i Jedotona. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:18", "text": "Ny Levita rehetra tao an-tan\u00e0na mas\u00ecna dia efatra amby valo-polo amby roan-jato. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:19", "text": "Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin\u2019 ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:20", "text": "Ary ny sisa tamin\u2019 ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tan\u00e0na rehetra any Joda, samy tao amin\u2019 ny zara-taniny avy. " }, { "verse": 21, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:21", "text": "Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy. " }, { "verse": 22, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:22", "text": "Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin\u2019 ny raharaha momba ny tranon\u2019 Andriamanitra dia Ozy, zanak\u2019 i Bany, zanak\u2019 i Hasabia, zanak\u2019 i Matania, zanak\u2019 i Mika, isan\u2019 ny mpihira, taranak\u2019 i Asafa. " }, { "verse": 23, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:23", "text": "Fa ny didin\u2019 ny mpanjaka ny amin\u2019 ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan\u2019 andro. " }, { "verse": 24, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:24", "text": "Ary Petahia, zanak\u2019 i Mesezabela, isan\u2019 ny taranak\u2019 i Zera, zanak\u2019 i Joda, dia teo anilan\u2019 ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin\u2019 ny olona. " }, { "verse": 25, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:25", "text": "Fa ny amin\u2019 ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny, " }, { "verse": 26, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:26", "text": "ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta " }, { "verse": 27, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:27", "text": "sy Hazara-soala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny, " }, { "verse": 28, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:28", "text": "ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny, " }, { "verse": 29, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:29", "text": "ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota " }, { "verse": 30, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:30", "text": "sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin\u2019 ny lohasahan\u2019 i Himona izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:31", "text": "Ary ny taranak\u2019 i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny, " }, { "verse": 32, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:32", "text": "ary tany Anatota sy Noba sy Anania " }, { "verse": 33, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:33", "text": "sy Hazora sy Rama sy Gitaima " }, { "verse": 34, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:34", "text": "sy Hadida sy Zebo\u00efma sy Nebala " }, { "verse": 35, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:35", "text": "sy Loda sy Ono, lohasahan\u2019 ny mahay tao-zavatra. " }, { "verse": 36, "chapter": 11, "name": "Nehemiah 11:36", "text": "Ary tao amin\u2019 ny Benjamina nisy Levita, izay isan\u2019 ny antokon\u2019 ny Joda. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:1", "text": "Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin\u2019 i Zerobabela, zanak\u2019 i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra, " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:2", "text": "Amaria, Maloka, Hatosy, " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:3", "text": "Sekania, Rehoma, Meremota, " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:4", "text": "Ido, Ginetoy, Abia, " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:5", "text": "Miamina, Madia, Bilga, " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:6", "text": "Semaia, Joiariba, Jedaia, " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:7", "text": "Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan\u2019 ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin\u2019 ny andron\u2019 i Jesoa. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:8", "text": "Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian\u2019 ny fiderana. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:9", "text": "Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin\u2019 ireo, dia nifanandrify tamin\u2019 ny anjara-raharahany. " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:10", "text": "Ary Jesoa niteraka an\u2019 i Joiakima; ary Joiakima niteraka an\u2019 i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an\u2019 i Joiada; " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:11", "text": "ary Joiada niteraka an\u2019 i Jonatana; ary Jonatana niteraka an\u2019 i Jadoa. " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:12", "text": "Ary tamin\u2019 ny andron\u2019 i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan\u2019 ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin\u2019 i Seraia dia Meraia; ny avy tamin\u2019 i Jeremia dia Hanania; " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:13", "text": "ny avy tamin\u2019 i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin\u2019 i Amaria dia Johanana; " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:14", "text": "ny avy tamin\u2019 i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin\u2019 i Sebania dia Josefa; " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:15", "text": "ny avy tamin\u2019 i Hadma dia Adna; ny avy tamin\u2019 i Meraiota dia Helkay; " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:16", "text": "ny avy tamin\u2019 Ido dia Zakaria; ny avy tamin\u2019 i Ginetona dia Mesolama; " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:17", "text": "ny avy tamin\u2019 i Abia dia Zikry; ny avy tamin\u2019 i Miniamina, avy tamin\u2019 i Moadia, dia Piltahy; " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:18", "text": "ny avy tamin\u2019 i Bilga dia Samoa; ny avy tamin\u2019 i Semaia dia Jonatana; " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:19", "text": "ny avy tamin\u2019 i Joariba dia Matenay; ny avy tamin\u2019 i Jedaia dia Ozy; " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:20", "text": "ny avy tamin\u2019 i Salay dia Kalay; ny avy tamin\u2019 i Amoka dia Ebera; " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:21", "text": "ny avy tamin\u2019 i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin\u2019 i Jedaia dia Netanela. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:22", "text": "Tamin\u2019 ny andron\u2019 i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan\u2019 ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin\u2019 ny nanjakan\u2019 i Dariosy Persiana. " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:23", "text": "Ny taranak\u2019 i Levy, lohan\u2019 ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantara hatramin\u2019 ny andron\u2019 i Johanana, zanak\u2019 i Eliasiba. " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:24", "text": "Ary ny lohan\u2019 ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak\u2019 i Kadmiela, mbamin\u2019 ny rahalahin\u2019 ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin\u2019 i Davida, lehilahin\u2019 Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony. " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:25", "text": "Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin\u2019 ny trano firaketana. " }, { "verse": 26, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:26", "text": "Ireo no tamin\u2019 ny andron\u2019 i Joiakima, zanak\u2019 i Jesoa, zanak\u2019 i Jozadaka, sy tamin\u2019 ny andron\u2019 i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dal\u00e0na. " }, { "verse": 27, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:27", "text": "Ary rehefa hitokanana ny mandan\u2019 i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin\u2019 ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin\u2019 ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin\u2019 ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga. " }, { "verse": 28, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:28", "text": "Dia niangona ny mpihira avy tamin\u2019 ny tany lemaka manodidina an\u2019 i Jerosalema sy ny avy tamin\u2019 ny vohitry ny Netofatita " }, { "verse": 29, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:29", "text": "sy Beti-gilgala ary ny sahan\u2019 i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an\u2019 i Jerosalema ny mpihira. " }, { "verse": 30, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:30", "text": "Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda. " }, { "verse": 31, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:31", "text": "Dia nasaiko niakatra eo ambonin\u2019 ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin\u2019 ny ankavanana teo ambonin\u2019 ny manda ho amin\u2019 ny vavahadin-jezika; " }, { "verse": 32, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:32", "text": "ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin\u2019 ny Joda, " }, { "verse": 33, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:33", "text": "dia Azaria sy Ezra sy Mesolama " }, { "verse": 34, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:34", "text": "sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia, " }, { "verse": 35, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:35", "text": "ary ny sasany tamin\u2019 ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak\u2019 i Jonatana, zanak\u2019 i Semaia, zanak\u2019 i Matania, zanak\u2019 i Mikaia, zanak\u2019 i Zakora, zanak\u2019 i Asafa, " }, { "verse": 36, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:36", "text": "mbamin\u2019 ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon\u2019 i Davida, lehilahin\u2019 Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dal\u00e0na nandeha teo alohan\u2019 ireo. " }, { "verse": 37, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:37", "text": "Ary hatreo amin\u2019 ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin\u2019 ny ambaratongan\u2019 ny Tan\u00e0nan\u2019 i Davida, tamin\u2019 ny fiakarana amin\u2019 ny manda eo ambonin\u2019 ny tranon\u2019 i Davida ka hatramin\u2019 ny vavahadin-drano eo atsinanana. " }, { "verse": 38, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:38", "text": "Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin\u2019 ny manda hatreo ambonin\u2019 ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin\u2019 ny manda lehibe, " }, { "verse": 39, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:39", "text": "ary hatreo ambonin\u2019 ny vavahadin\u2019 i Efraima ay teo ambanin\u2019 ny vavahady taloha ary teo ambonin\u2019 ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin\u2019 ny vavahadin\u2019 ondry; ary nilanona teo amin\u2019 ny vavahadin-trano-maizina izy. " }, { "verse": 40, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:40", "text": "Dia nijanona tao an-tranon\u2019 Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko " }, { "verse": 41, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:41", "text": "ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra, " }, { "verse": 42, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:42", "text": "ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy. " }, { "verse": 43, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:43", "text": "Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin\u2019 izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema. " }, { "verse": 44, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:44", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an\u2019 ny mpisorona sy ny Levita avy amin\u2019 ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian\u2019 ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo. " }, { "verse": 45, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:45", "text": "Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin\u2019 Andriamaniny sy ny amin\u2019 ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin\u2019 i Davida sy Solomona zanany. " }, { "verse": 46, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:46", "text": "Fa fahiny tamin\u2019 ny andron\u2019 i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan\u2019 ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 47, "chapter": 12, "name": "Nehemiah 12:47", "text": "Ary ny Isiraely rehetra tamin\u2019 ny andron\u2019 i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran\u2019 ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan\u2019 andro; ary nanokana izay ho an\u2019 ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an\u2019 ny taranak\u2019 i Arona. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:1", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany dia novakiana teo anatrehan\u2019 ny olona ny teny tao amin\u2019 ny bokin\u2019 i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin\u2019 ny fiangonan\u2019 Andriamanitra mandrakizay, " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:2", "text": "satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak\u2019 Isiraely izy, fa nanamby an\u2019 i Balama hanozona azy; kanjo nampodin\u2019 Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:3", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny olona ny lal\u00e0na, dia navahany hiala tamin\u2019 ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:4", "text": "Ary talohan\u2019 izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin\u2019 ny efi-trano ao an-tranon\u2019 Andriamanitsika sady havan\u2019 i Tobia akaikiny, " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:5", "text": "dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin\u2019 ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon\u2019 ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an\u2019 ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an\u2019 ny mpisorona. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:6", "text": "Fa tamin\u2019 izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin\u2019 ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan\u2019 i Artaksersesy, mpanjakan\u2019 i Babylona, no nahatongavako tany amin\u2019 ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin\u2019 ny mpanjaka aho; " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:7", "text": "ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon\u2019 i Eliasiba ho an\u2019 i Tobia tamin\u2019 ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin\u2019 ny kianjan\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:8", "text": "Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an\u2019 i Tobia hiala tamin\u2019 ny efi-trano. " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:9", "text": "Ary nasaiko nodiovin\u2019 ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon\u2019 Andriamanitra mbamin\u2019 ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona. " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:10", "text": "Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman\u2019 ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:11", "text": "Dia nifandahatra tamin\u2019 ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon\u2019 Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin\u2019 ny toerany avy. " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:12", "text": "Dia nentin\u2019 ny Joda rehetra ho ao amin\u2019 ny trano firaketana ny ampahafolon\u2019 ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:13", "text": "Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin\u2019 ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak\u2019 i Zakora, zanak\u2019 i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin\u2019 ireo dia ny hizara ho an\u2019 ny rahalahiny. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:14", "text": "Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro \u00f4, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin\u2019 ny tranon\u2019 Andriamanitro sy ny amin\u2019 ny raharaha tokony hatao ao. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:15", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin\u2019 ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin\u2019 ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin\u2019 ny andro nivarotany hanina. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:16", "text": "Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Joda sy tany Jerosalema tamin\u2019 ny Sabata; " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:17", "text": "Dia nifandahatra tamin\u2019 ireo manan-kaja amin\u2019 ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo? " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:18", "text": "Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran\u2019 Andriamanitsika amintsika sy amin\u2019 ity tan\u00e0na ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin\u2019 ny Isiraely amin\u2019 ny andotoanareo ny Sabata. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:19", "text": "Ary raha vao malomaloka ny vavahadin\u2019 i Jerosalema talohan\u2019 ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin\u2019 ny andro Sabata. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:20", "text": "Ka dia nandry teo ivelan\u2019 i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa; " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:21", "text": "dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan\u2019 ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin\u2019 izany andro izany dia tsy tonga tamin\u2019 ny Sabata intsony izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:22", "text": "Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro \u00f4, ary iantrao aho araka ny haben\u2019 ny famindram-ponao. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:23", "text": "Ary tamin\u2019 izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba; " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:24", "text": "ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin\u2019 ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy. " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:25", "text": "Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin\u2019 Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin\u2019 ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin\u2019 ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo. " }, { "verse": 26, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:26", "text": "Tsy izany va no nanotan\u2019 i Solomona, Mpanjakan\u2019 i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin\u2019 ny firenena maro, fa tian\u2019 Andriamaniny izy ka nataon\u2019 Andriamanitra ho mpanjaka tamin\u2019 ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain\u2019 ny vehivavy hafa firenena. " }, { "verse": 27, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:27", "text": "Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin\u2019 Andriamanitsika amin\u2019 ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo? " }, { "verse": 28, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:28", "text": "Ary vinanton\u2019 i Sanbala Horonita ny anankiray amin\u2019 ny zanak\u2019 i Joiada, zanak\u2019 i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy. " }, { "verse": 29, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:29", "text": "Tsarovy ireo, ry Andriamanitro \u00f4, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken\u2019 ny fisoronana sy ny Levita. " }, { "verse": 30, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:30", "text": "Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin\u2019 ny tamin\u2019 ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan\u2019 ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin\u2019 ny raharahany avy, " }, { "verse": 31, "chapter": 13, "name": "Nehemiah 13:31", "text": "ary ny amin\u2019 ny fanaterana ny kitay hazo tamin\u2019 izay fotoan\u2019 androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro \u00f4. " } ] } ] }, { "name": "Esther", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Esther 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Esther 1:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro nanjakan\u2019 i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany), " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Esther 1:2", "text": "dia tamin\u2019 izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka, " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Esther 1:3", "text": "tamin\u2019 ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an\u2019 ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben\u2019 ny miaramilan\u2019 i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin\u2019 ireo komandin\u2019 ny isan-tokony amin\u2019 ny fanjakany; " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Esther 1:4", "text": "ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Esther 1:5", "text": "Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan\u2019 ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin\u2019 ny kianjan\u2019 ny tanimbolin\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanjaka; " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Esther 1:6", "text": "ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin\u2019 ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin\u2019 ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin\u2019 ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Esther 1:7", "text": "Ary ny olona dia nampisotroina tamin\u2019 ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain\u2019 andriana araka ny fanomen\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Esther 1:8", "text": "Ary ny nisotroan\u2019 ny olona dia araka ny tenin\u2019 andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian\u2019 ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan\u2019 ny olona araka izay sitrapony avy. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Esther 1:9", "text": "Ary Vasty, vadin\u2019 ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an\u2019 ny vehivavy koa tao amin\u2019 ny tranom-panjakana, izay an\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka. " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Esther 1:10", "text": "Ary tamin\u2019 ny andro fahafito, nony faly ny fon\u2019 ny mpanjaka azon\u2019 ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka, " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Esther 1:11", "text": "ba hitondra an\u2019 i Vasty, vadin\u2019 ny mpanjaka, ho eo anatrehan\u2019 ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin\u2019 ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Esther 1:12", "text": "Fa Vasty, vadin\u2019 ny mpanjaka, nand\u00e0 ny tenin\u2019 ny mpanjaka nentin\u2019 ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Esther 1:13", "text": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan\u2019 ny mpanjaka teo anatrehan\u2019 izay rehetra nahalala lal\u00e0na sy fitsarana; " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Esther 1:14", "text": "ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin\u2019 i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin\u2019 ny mpanjaka ka nipetraka tamin\u2019 ny fitoerana aloha teo amin\u2019 ny fanjakana): " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Esther 1:15", "text": "Ahoana no hanaovana an\u2019 i Vasty, vadin\u2019 ny mpanjaka, raha araka ny lal\u00e0na, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin\u2019 ny tsindranolahy izy? " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Esther 1:16", "text": "Dia namaly Memokana teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin\u2019 ny mpanjaka ihany no nanaovan\u2019 i Vasty, vadin\u2019 ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin\u2019 ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran\u2019 ny fanjakan\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka; " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Esther 1:17", "text": "fa hiely any amin\u2019 ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon\u2019 ny vadin\u2019 ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an\u2019 i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Esther 1:18", "text": "Ary na dia amin\u2019 izao andro izao aza ny andriambavin\u2019 i Persia sy Media, izay mandre ny nataon\u2019 ny vadin\u2019 ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin\u2019 ny mpanapaka rehetra voatendrin\u2019 ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana. " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Esther 1:19", "text": "Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin\u2019 ny mpanjaka ka hosoratana ao amin\u2019 ny lal\u00e0n\u2019 i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr\u2019 i Vasty dia aoka homen\u2019 ny mpanjaka ho an\u2019 izay vehivavy hafa tsara noho izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Esther 1:20", "text": "Ary raha torina eran\u2019 ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lal\u00e0n\u2019 ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra. " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Esther 1:21", "text": "Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin\u2019 i Memokana ny mpanjaka, " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Esther 1:22", "text": "ka nampitondra taratasy izy ho any amin\u2019 ny isan-tokony amin\u2019 ny fanjakan\u2019 ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Esther 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Esther 2:1", "text": " Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an\u2019 i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Esther 2:2", "text": "Ka dia hoy ireo zatovon\u2019 ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy; " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Esther 2:3", "text": "ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin\u2019 ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin\u2019 ny fehin\u2019 i Hegay, tsindranolahin\u2019 i ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy, " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Esther 2:4", "text": "koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an\u2019 i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Esther 2:5", "text": "Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak\u2019 i Ja\u00efra, zanak\u2019 i Simey, zanak\u2019 i Kisy, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Benjamina, " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Esther 2:6", "text": "izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin\u2019 ny babo izay nentina niaraka tamin\u2019 i Jekonia, mpanjakan\u2019 ny Joda, izay nobaboin\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Esther 2:7", "text": "Ary izy nitaiza an\u2019 i Hadasa (Estera izany), zanakavavin\u2019 ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin\u2019 i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Esther 2:8", "text": "Koa nony re ny tenin\u2019 ny mpanjaka sy ny lal\u00e0ny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin\u2019 ny fehin\u2019 i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon\u2019 ny mpanjaka koa Estera ho amin\u2019 ny fehin\u2019 i Hegay, mpifehy ny vehivavy. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Esther 2:9", "text": "Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin\u2019 ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Esther 2:10", "text": "Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan\u2019 i Mordekay mba tsy hilaza izany izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Esther 2:11", "text": "Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan\u2019 ny kianjan\u2019 ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran\u2019 i Estera sy izay anaovana azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Esther 2:12", "text": "Ary nony tonga ny andro hidiran\u2019 ny zazavavy tsirairay isan\u2019 andro tany amin\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin\u2019 ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin\u2019 izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin\u2019 ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin\u2019 ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan\u2019 ny vehivavy), " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Esther 2:13", "text": "koa nony hiditra ao amin\u2019 ny mpanjaka ny zazavavy tamin\u2019 izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin\u2019 ny tranom-behivavy ho ao an-tranon\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 14, "chapter": 2, "name": "Esther 2:14", "text": "Tamin\u2019 ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran\u2019 ny vehivavy, ho amin\u2019 ny fehin\u2019 i Sasegaza, tsindranolahin\u2019 i ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin\u2019 ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian\u2019 ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany. " }, { "verse": 15, "chapter": 2, "name": "Esther 2:15", "text": "Ary rehefa tonga ny anjara-andron\u2019 i Estera, zanakavavin\u2019 i Abihaila, rahalahin-drain\u2019 i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon\u2019 ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin\u2019 i Hegay, tsindranolahin\u2019 i ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason\u2019 ny olona rehetra izay nijery azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 2, "name": "Esther 2:16", "text": "Dia nentina ho ao amin\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon\u2019 ny fanjakana, tamin\u2019 ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin\u2019 ny taona fahafito nanjakany. " }, { "verse": 17, "chapter": 2, "name": "Esther 2:17", "text": "Ary tian\u2019 ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an\u2019 i Vasty. " }, { "verse": 18, "chapter": 2, "name": "Esther 2:18", "text": "Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an\u2019 ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan\u2019 i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an\u2019 ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 19, "chapter": 2, "name": "Esther 2:19", "text": "Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin\u2019 ny mpanjaka Mordekay. " }, { "verse": 20, "chapter": 2, "name": "Esther 2:20", "text": "Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan\u2019 i Mordekay azy ihany; fa ny tenin\u2019 i Mordekay dia nankatoavin\u2019 i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany. " }, { "verse": 21, "chapter": 2, "name": "Esther 2:21", "text": "Tamin\u2019 izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin\u2019 ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan\u2019 ny tsindranolahin\u2019 i ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 2, "name": "Esther 2:22", "text": "Ary fantatr\u2019 i Mordekay izany ka nambarany tamin\u2019 i Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka; dia nambaran\u2019 i Estera tamin\u2019 ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain\u2019 i Mordekay azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 2, "name": "Esther 2:23", "text": "At\u1ef3 rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin\u2019 ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantara teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka izany. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Esther 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Esther 3:1", "text": " Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak\u2019 i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan\u2019 ny an\u2019 ny mpanapaka rehetra izay teo aminy. " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Esther 3:2", "text": "Ary ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin\u2019 ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan\u2019 i Hamana; fa izany no didin\u2019 ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Esther 3:3", "text": "Dia hoy ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka izay teo am-bavahadin\u2019 ny mpanjaka tamin\u2019 i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin\u2019 ny mpanjaka? " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Esther 3:4", "text": "Nefa na dia niteny taminy isan\u2019 andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain\u2019 Ireo tamin\u2019 i Hamana, mba hizahany na haharitra amin\u2019 ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin\u2019 ireo izy fa Jiosy. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Esther 3:5", "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Esther 3:6", "text": "Ary nataon\u2019 i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an\u2019 i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen\u2019 i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran\u2019 ny fanjakan\u2019 i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen\u2019 i Mordekay. " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Esther 3:7", "text": "Tamin\u2019 ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin\u2019 ny taona faharoa ambin\u2019 ny folo nanjakan\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan\u2019 i Hamana ny amin\u2019 ny isan\u2019 andro isan\u2019 andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin\u2019 ny volana faharoa ambin\u2019 ny folo (volana Adara izany) " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Esther 3:8", "text": "Ary hoy Hamana tamin\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin\u2019 ny firenena samy hafa isan-tokony eran\u2019 ny fanjakanao; ary hafa lal\u00e0na noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankat\u00f2 ny lal\u00e0n\u2019 ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin\u2019 ny mpanjaka ny hamela azy ho eny; " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Esther 3:9", "text": "koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Esther 3:10", "text": "Dia nesorin\u2019 ny mpanjaka tamin\u2019 ny t\u00e0nany ny peratra fanombohany ka nomeny an\u2019 i Hamana, zanak\u2019 i Hamedota Agagita, fahavalon\u2019 ny Jiosy. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Esther 3:11", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao. " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Esther 3:12", "text": "Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin\u2019 ny andro fahatelo ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian\u2019 i Hamana ho an\u2019 ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin\u2019 ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin\u2019 ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin\u2019 ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin\u2019 ny peratra fanombohan\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Esther 3:13", "text": "Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin\u2019 ny isan-tokony amin\u2019 ny fanjakan\u2019 ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin\u2019 ny zaza amim-behivavy aza, amin\u2019 ny indray andro monja, dia tamin\u2019 ny andro fahatelo ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana faharoa ambin\u2019 ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany. " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Esther 3:14", "text": "Ny kopen\u2019 ny teny izay natao didy ho amin\u2019 ny isan-tokony amin\u2019 ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan\u2019 ny olona rehetra hampiomana azy ho amin\u2019 izany andro izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Esther 3:15", "text": "Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan\u2019 ny tenin\u2019 ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lal\u00e0na. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tan\u00e0na Sosana kosa dia very hevitra. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Esther 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Esther 4:1", "text": " Nony fantatr\u2019 i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan\u2019 ny tan\u00e0na ka nitaraina sy nidradradradra mafy; " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Esther 4:2", "text": "ary tonga teo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Esther 4:3", "text": "Ary tany amin\u2019 ny isan-tokony tamin\u2019 ny fanjakana rehetra nalehan\u2019 ny tenin\u2019 ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin\u2019 ny lamba fisaonana aman-davenona. " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Esther 4:4", "text": "Ary niditra ny ankizivavin\u2019 i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin\u2019 ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin\u2019 i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Esther 4:5", "text": "Ary Estera niantso an\u2019 i Hat\u00e0ka, tsindranolahin\u2019 i ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin\u2019 i Mordekay, mba hahafantarany izay anton\u2019 izany. " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Esther 4:6", "text": "Dia nivoaka Hat\u00e0ka nankany amin\u2019 i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tan\u00e0na, dia ilay eo anoloan\u2019 ny vavahadin\u2019 ny mpanjaka; " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Esther 4:7", "text": "dia nambaran\u2019 i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan\u2019 ny vola izay nokasain\u2019 i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan\u2019 ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Esther 4:8", "text": "Ary nomeny azy koa ny kopen\u2019 ny lal\u00e0na, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin\u2019 i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin\u2019 ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an\u2019 ny fireneny. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Esther 4:9", "text": "Ary tonga Hat\u00e0ka ka nanambara ny tenin\u2019 i Mordekay tamin\u2019 i Estera. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Esther 4:10", "text": "Fa Estera naniraka an\u2019 i Hat\u00e0ka indray hanao amin\u2019 i Mordekay hoe: " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Esther 4:11", "text": "Ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran\u2019 ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin\u2019 ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lal\u00e0na iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin\u2019 ny mpanjaka amin\u2019 ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin\u2019 ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Esther 4:12", "text": "Dia nolazaina tamin\u2019 i Mordekay ny tenin\u2019 i Estera. " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Esther 4:13", "text": "Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin\u2019 i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon\u2019 ny mpanjaka; " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Esther 4:14", "text": "fa raha hangina mihitsy ianao amin\u2019 izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin\u2019 ny fitoerana hafa ho an\u2019 ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin\u2019 izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin\u2019 ny fanjakana? " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Esther 4:15", "text": "Dia nampitondra valiny ho any amin\u2019 i Mordekay indray Estera ka nanao hoe: " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Esther 4:16", "text": "Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin\u2019 izany no hidirako ao amin\u2019 ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lal\u00e0na aza; koa raha t\u00e0hiny maty aho, dia maty. " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Esther 4:17", "text": "Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian\u2019 i Estera azy. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Esther 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Esther 5:1", "text": " Ary nony tamin\u2019 ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin\u2019 ny kianja anatiny amin\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanjaka, dia teo anoloan\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin\u2019 ny seza fiandrianan\u2019 ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny trano. " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Esther 5:2", "text": "Ary nony hitan\u2019 ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an\u2019 i Estera tamin\u2019 ny tehim-bolamena izay teny an-t\u00e0nany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Esther 5:3", "text": "Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin\u2019 ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Esther 5:4", "text": "Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin\u2019 ny fanasana izay efa namboariko ho azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Esther 5:5", "text": "Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin\u2019 i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin\u2019 ny fanasana izay efa namboarin\u2019 i Estera. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Esther 5:6", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin\u2019 ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Esther 5:7", "text": "Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko: " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Esther 5:8", "text": "Raha mahita fitia eto imason\u2019 ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin\u2019 ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin\u2019 ny mpanjaka ihany aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Esther 5:9", "text": "Dia nivoaka tamin\u2019 izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an\u2019 i Mordekay teo am-bavahadin\u2019 ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Esther 5:10", "text": "Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Esther 5:11", "text": "Ary nambaran\u2019 i Hamana tamin\u2019 ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan\u2019 ny zanany mbamin\u2019 Izay voninahitra rehetra nomen\u2019 ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon\u2019 ny mpanjaka. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Esther 5:12", "text": "Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin\u2019 ny mpanjaka ho amin\u2019 ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin\u2019 ny mpanjaka aho koa rahampitso. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Esther 5:13", "text": "Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an\u2019 i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin\u2019 ny mpanjaka aho. " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Esther 5:14", "text": "Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin\u2019 ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin\u2019 ny mpanjaka amin\u2019 ny hafaliana ho any amin\u2019 ny fanasana ianao. Ary sitrak\u2019 i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Esther 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Esther 6:1", "text": " Ary tamin\u2019 iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka izany. " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Esther 6:2", "text": "Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an\u2019 i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan\u2019 ny tsindranolahin\u2019 i ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Esther 6:3", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an\u2019 i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon\u2019 ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Esther 6:4", "text": "Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan\u2019 ny tranon\u2019 ny mpanjaka tamin\u2019 izay hiteny amin\u2019 ny mpanjaka ny amin\u2019 ny hanantonana an\u2019 i Mordekay amin\u2019 ilay hazo efa natsangany hanantonana azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Esther 6:5", "text": "Ka hoy ny zatovon\u2019 ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Esther 6:6", "text": "Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin\u2019 izay lehilahy tian\u2019 ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian\u2019 ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho? " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Esther 6:7", "text": "Ka dia hoy Hamana tamin\u2019 ny mpanjaka: Ny amin\u2019 izay lehilahy tian\u2019 ny mpanjaka homem-boninahitra, " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Esther 6:8", "text": "aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan\u2019 ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan\u2019 ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany; " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Esther 6:9", "text": "dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-t\u00e0nan\u2019 ny anankiray izay malaza indrindra amin\u2019 ny mpanapaka voatendrin\u2019 ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian\u2019 ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin\u2019 ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tan\u00e0na, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin\u2019 ny lehilahy izay tian\u2019 ny mpanjaka homem-boninahitra. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Esther 6:10", "text": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin\u2019 i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin\u2019 ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Esther 6:11", "text": "Dia nalain\u2019 i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an\u2019 i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin\u2019 ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tan\u00e0na ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin\u2019 ny lehilahy izay tian\u2019 ny mpanjaka homem-boninahitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Esther 6:12", "text": "Ary Mordekay niverina nankeo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha. " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Esther 6:13", "text": "Dia nolazain\u2019 i Hamana tamin\u2019 i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin\u2019 ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa. " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Esther 6:14", "text": "Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin\u2019 ny mpanjaka ka naka faingana an\u2019 i Hamana ho ny amin\u2019 ny fanasana izay efa namboarin\u2019 i Estera. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Esther 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Esther 7:1", "text": " Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin\u2019 i Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, ho ao amin\u2019 ny fanasana " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Esther 7:2", "text": "Ary hoy indray ny mpanjaka tamin\u2019 i Estera teo am-pisotroan-divay tamin\u2019 ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin\u2019 ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Esther 7:3", "text": "Dia namaly Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako; " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Esther 7:4", "text": "fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tah\u00ecny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Esther 7:5", "text": "Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin\u2019 i Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory? " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Esther 7:6", "text": "Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka sy ny vadin\u2019 ny mpanjaka Hamana. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Esther 7:7", "text": "Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin\u2019 ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin\u2019 i Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin\u2019 ny mpanjaka azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Esther 7:8", "text": "Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin\u2019 ny trano ho ao amin\u2019 ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin\u2019 ny farafara nandrian\u2019 i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin\u2019 ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan\u2019 ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan\u2019 i Hamana " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Esther 7:9", "text": "Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin\u2019 ny tranon\u2019 i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon\u2019 i Hamana hanantonany an\u2019 i Mordekay, ilay niteny soa ho an\u2019 ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahant\u00f2ny amin\u2019 io izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Esther 7:10", "text": "Ary Hamana dia nahantony tamin\u2019 ilay hazo efa natsangany hanantonana an\u2019 i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran\u2019 ny mpanjaka. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Esther 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Esther 8:1", "text": " Tamin\u2019 izany andro izany dia nomen\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka ho an\u2019 i Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, ny tranon\u2019 i Hamana, fahavalon\u2019 ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan\u2019 ny mpanjaka, fa efa voalazan\u2019 i Estera fa rainy izy " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Esther 8:2", "text": "Ary nesorin\u2019 ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin\u2019 i Hamana, ka nomeny an\u2019 i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren\u2019 i Estera hanapaka ny tranon\u2019 i Hamana. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Esther 8:3", "text": "Dia niteny teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin\u2019 ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon\u2019 i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Esther 8:4", "text": "Ary ny mpanjaka nanondro an\u2019 i Estera tamin\u2019 ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Esther 8:5", "text": "ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon\u2019 ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr\u2019 i Hamana, zanak\u2019 i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakan\u2019 ny mpanjaka; " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Esther 8:6", "text": "fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako? " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Esther 8:7", "text": "Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin\u2019 i Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka sy tamin\u2019 i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon\u2019 i Hamana efa nomeko an\u2019 i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin\u2019 ny hazo, satria naninjitra ny t\u00e0nany hamely ny Jiosy; " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Esther 8:8", "text": "ary ianareo kosa dia manorata amin\u2019 ny anaran\u2019 ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin\u2019 ny peratra fanombohan\u2019 ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin\u2019 ny anaran\u2019 ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin\u2019 ny peratra fanombohan\u2019 ny mpanjaka " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Esther 8:9", "text": "Dia nantsoina tamin\u2019 izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin\u2019 ny andro fahatelo amby roa-polo tamin\u2019 ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian\u2019 i Mordekay izany ho any amin\u2019 ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin\u2019 ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Esther 8:10", "text": "Ary nanoratra taratasy tamin\u2019 ny anaran\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin\u2019 ny peratra fanombohan\u2019 ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy; " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Esther 8:11", "text": "ka ny Jiosy izay teny amin\u2019 ny isan-tan\u00e0na dia navelan\u2019 ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin\u2019 ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin\u2019 ny vady aman-janak\u2019 ireny ary handroba ny fananany " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Esther 8:12", "text": "amin\u2019 ny andro iray ihany any amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakan\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin\u2019 ny andro fahatelo ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana faharoa ambin\u2019 ny folo (volana Adara izany). " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Esther 8:13", "text": "Ny kopen\u2019 ny teny natao didy ho amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakana dia nantsoina tamin\u2019 ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin\u2019 izany andro izany hamaliany ny fahavalony. " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Esther 8:14", "text": "Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan\u2019 ny tenin\u2019 ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lal\u00e0na. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Esther 8:15", "text": "Ary tamin\u2019 ny nialan\u2019 i Mordekay teo anatrehan\u2019 ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Esther 8:16", "text": "Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra. " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Esther 8:17", "text": "Ary teo amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakana sy teny an-tan\u00e0na rehetra izay nahatongavan\u2019 ny didin\u2019 ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Esther 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Esther 9:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny andro fahatelo ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana faharoa ambin\u2019 ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin\u2019 ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain\u2019 ny fahavalon\u2019 ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy), " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Esther 9:2", "text": "dia nivory tany an-tan\u00e0nany avy ny Jiosy, tany amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakan\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Esther 9:3", "text": "Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin\u2019 ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin\u2019 ny mpanao raharahan\u2019 ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon\u2019 ny fahatahorana an\u2019 i Mordekay izy. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Esther 9:4", "text": "Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon\u2019 ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Esther 9:5", "text": "Ary nasian\u2019 ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin\u2019 izay nankahala azy izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Esther 9:6", "text": "Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy; " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Esther 9:7", "text": "ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Esther 9:8", "text": "sy Porata sy Adalia sy Aridata " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Esther 9:9", "text": "sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata, " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Esther 9:10", "text": "izy folo lahy, zanak\u2019 i Hamana, zanak\u2019 i Hamedota, fahavalon\u2019 ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Esther 9:11", "text": "Androtrizay ihany dia nambara tamin\u2019 ny mpanjaka ny isan\u2019 ny voavono tany Sosana renivohitra. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Esther 9:12", "text": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019 i Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin\u2019 izy folo lahy, zanak\u2019 i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakan\u2019 ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Esther 9:13", "text": "Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin\u2019 ny hazo koa izy folo lahy, zanak\u2019 i Hamana. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Esther 9:14", "text": "Dia nasain\u2019 ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak\u2019 i Hamana. " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Esther 9:15", "text": "Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Esther 9:16", "text": "Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin\u2019 ny fanjakan\u2019 ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin\u2019 ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy) " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Esther 9:17", "text": "tamin\u2019 ny andro fahatelo ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Esther 9:18", "text": "Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin\u2019 ny andro fahatelo ambin\u2019 ny folo tamin\u2019 io ihany sy tamin\u2019 ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo koa; ary nitsahatra tamin\u2019 ny andro fahadimy ambin\u2019 ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Esther 9:19", "text": "Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin\u2019 ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Esther 9:20", "text": " Ary Mordekay nanoratra ny amin\u2019 izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin\u2019 ny Jiosy rehetra izay tany amin\u2019 ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakan\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra, " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Esther 9:21", "text": "mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin\u2019 ny folo sy ny fahadimy ambin\u2019 ny folo amin\u2019 ny volana Adara isan-taona, " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Esther 9:22", "text": "dia araka ny andro nahafahan\u2019 ny Jiosy tamin\u2019 ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an\u2019 ny mahantra izany. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Esther 9:23", "text": "Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan\u2019 i Mordekay taminy, " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Esther 9:24", "text": "satria Hamana, zanak\u2019 i Hamedota Agagita, fahavalon\u2019 ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy; " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Esther 9:25", "text": "fa raha nankeo anatrehan\u2019 ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin\u2019 ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain\u2019 i Hamana hatao amin\u2019 ny Jiosy, ary mba hahantona amin\u2019 ny hazo izy sy ny zananilahy. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Esther 9:26", "text": "Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin\u2019 izany taratasy izany sy izay hitany ny amin\u2019 izany zavatra efa nanjo azy izany " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Esther 9:27", "text": "dia nanao lal\u00e0na tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona; " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "Esther 9:28", "text": "ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin\u2019 ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran\u2019 ny fanjakana rehetra sy amin\u2019 ny isan-tan\u00e0na; ary mba tsy ho tapaka amin\u2019 ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin\u2019 ny taranany. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "Esther 9:29", "text": "Ary Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, sady zanakavavin\u2019 i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin\u2019 ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany. " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "Esther 9:30", "text": "Ary nampitondra taratasy ho any amin\u2019 ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin\u2019 ny toko fito amby roa-polo amby zato amin\u2019 ny fanjakan\u2019 i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana, " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "Esther 9:31", "text": "mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin\u2019 ny fotoany, araka izay nandidian\u2019 i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin\u2019 ny mpanjaka, azy sy araka izay efa nekeny ho an\u2019 ny tenany sy ny taranany koa ny amin\u2019 ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany. " }, { "verse": 32, "chapter": 9, "name": "Esther 9:32", "text": "Ary ny tenin\u2019 i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin\u2019 ny boky izany. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Esther 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Esther 10:1", "text": "Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina. " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Esther 10:2", "text": "Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin\u2019 ny filazana ny fahalehibiazan\u2019 i Mordekay, araka izay nanandratan\u2019 ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin\u2019 ny bokin\u2019 ny tantaran\u2019 ny mpanjakan\u2019 i Media sy Persia va izany? " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Esther 10:3", "text": "Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an\u2019 i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin\u2019 ny Jiosy ka nankasitrahan\u2019 ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin\u2019 ny olona rehetra iray firazanana aminy. " } ] } ] }, { "name": "Job", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Job 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Job 1:1", "text": " Nisy lehilahy tany amin\u2019 ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an\u2019 Andriamanitra ka nifady ny ratsy. " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Job 1:2", "text": "Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Job 1:3", "text": "Ary ny fananany dia ondry aman\u2019 osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Job 1:4", "text": "Ary fanaon\u2019 ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an\u2019 androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Job 1:5", "text": "Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan\u2019 izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nand\u00e0 an\u2019 Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon\u2019 i Joba mandrakariva. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Job 1:6", "text": "Ary tamin\u2019 ny indray andro nony avy ireo zanak\u2019 Andriamanitra hiseho teo anatrehan\u2019 i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy. " }, { "verse": 7, "chapter": 1, "name": "Job 1:7", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an\u2019 i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin\u2019 ny tany aho ka nivezivezy teny. " }, { "verse": 8, "chapter": 1, "name": "Job 1:8", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Satana: Efa nandinika an\u2019 i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin\u2019 ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an\u2019 Andriamanitra ka mifady ny ratsy. " }, { "verse": 9, "chapter": 1, "name": "Job 1:9", "text": "Ary Satana dia namaly an\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran\u2019 i Joba an\u2019 Andriamanitra? " }, { "verse": 10, "chapter": 1, "name": "Job 1:10", "text": "Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan\u2019 ny t\u00e0nany ka manenika ny tany ny omby aman\u2019 ondriny. " }, { "verse": 11, "chapter": 1, "name": "Job 1:11", "text": "Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy hand\u00e0 Anao eo imasonao aza izy e! " }, { "verse": 12, "chapter": 1, "name": "Job 1:12", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 13, "chapter": 1, "name": "Job 1:13", "text": "Ary tamin\u2019 ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon\u2019 ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy; " }, { "verse": 14, "chapter": 1, "name": "Job 1:14", "text": "ary nisy iraka tonga tany amin\u2019 i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany, " }, { "verse": 15, "chapter": 1, "name": "Job 1:15", "text": "dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. " }, { "verse": 16, "chapter": 1, "name": "Job 1:16", "text": "Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon\u2019 Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman\u2019 osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. " }, { "verse": 17, "chapter": 1, "name": "Job 1:17", "text": "Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin\u2019 ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. " }, { "verse": 18, "chapter": 1, "name": "Job 1:18", "text": "Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon\u2019 ny zokiny lahimatoa; " }, { "verse": 19, "chapter": 1, "name": "Job 1:19", "text": "ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin\u2019 ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. " }, { "verse": 20, "chapter": 1, "name": "Job 1:20", "text": "Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin\u2019 ny tany ka niankohoka " }, { "verse": 21, "chapter": 1, "name": "Job 1:21", "text": "sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon\u2019 ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran\u2019 i Jehovah " }, { "verse": 22, "chapter": 1, "name": "Job 1:22", "text": "Tamin\u2019 izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Job 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Job 2:1", "text": " Ary tamin\u2019 ny indray andro koa dia avy ireo zanak\u2019 Andriamanitra hiseho teo anatrehan\u2019 i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Job 2:2", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin\u2019 ny tany aho ka nivezivezy teny. " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Job 2:3", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Satana: Efa nandinika an\u2019 i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin\u2019 ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an\u2019 Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao. " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Job 2:4", "text": "Ary Satana dia namaly an\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin\u2019 ny hoditra, eny, izay rehetra ananan\u2019 ny olona dia homeny ho-fefin\u2019 ny ainy. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Job 2:5", "text": "Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy hand\u00e0 Anao eo Imasonao aza Izy e! " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Job 2:6", "text": "Dia hoy Jehovah tamin\u2019 i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Job 2:7", "text": "Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan\u2019 i Jehovah ka namely vay ratsy an\u2019 i Joba hatramin\u2019 ny faladiany ka hatramin\u2019 ny tampon-dohany. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Job 2:8", "text": "Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Job 2:9", "text": "Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an\u2019 Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty. " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Job 2:10", "text": "Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin\u2019 ny anankiray amin\u2019 ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin\u2019 Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin\u2019 izany rehetra izany dia tsy nanota tamin\u2019 ny molony Joba. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Job 2:11", "text": "Ary rehefa ren\u2019 ny sakaizan\u2019 i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin\u2019 ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Job 2:12", "text": "Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin\u2019 ny lanitra hiraraka amin\u2019 ny lohany. " }, { "verse": 13, "chapter": 2, "name": "Job 2:13", "text": "Ary niara-nipetraka teo aminy tamin\u2019 ny tany hafitoan\u2019 andro sy hafitoan\u2019 alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Job 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Job 3:1", "text": " Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Job 3:2", "text": "nanao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Job 3:3", "text": "Fo\u00e0na anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina! " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Job 3:4", "text": "Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy; " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Job 3:5", "text": "Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Job 3:6", "text": "Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin\u2019 ny andron\u2019 ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin\u2019 ny isan\u2019 ny volana; " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Job 3:7", "text": "Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby; " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Job 3:8", "text": "Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona; " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Job 3:9", "text": "Aoka ho maizina ny kintan\u2019 ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason\u2019 ny maraina izy, " }, { "verse": 10, "chapter": 3, "name": "Job 3:10", "text": "Satria tsy nanidy ny varavaran\u2019 ny kibon\u2019 ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin\u2019 ny masoko. " }, { "verse": 11, "chapter": 3, "name": "Job 3:11", "text": "Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e? " }, { "verse": 12, "chapter": 3, "name": "Job 3:12", "text": "Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako? " }, { "verse": 13, "chapter": 3, "name": "Job 3:13", "text": "Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra, " }, { "verse": 14, "chapter": 3, "name": "Job 3:14", "text": "Teo amin\u2019 ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin\u2019 ny tany, izay nanao ireny tan\u00e0na efa rava, " }, { "verse": 15, "chapter": 3, "name": "Job 3:15", "text": "Na teo amin\u2019 ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony; " }, { "verse": 16, "chapter": 3, "name": "Job 3:16", "text": "Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory. " }, { "verse": 17, "chapter": 3, "name": "Job 3:17", "text": "Any no itsaharan\u2019 ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra; " }, { "verse": 18, "chapter": 3, "name": "Job 3:18", "text": "Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon\u2019 ny mpampiasa izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 3, "name": "Job 3:19", "text": "Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin\u2019 ny tompony. " }, { "verse": 20, "chapter": 3, "name": "Job 3:20", "text": "Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an\u2019 izay latsaka amin\u2019 ny fangidiana? " }, { "verse": 21, "chapter": 3, "name": "Job 3:21", "text": "Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina: " }, { "verse": 22, "chapter": 3, "name": "Job 3:22", "text": "Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana, " }, { "verse": 23, "chapter": 3, "name": "Job 3:23", "text": "Dia olona izay mandeha ao amin\u2019 ny maizina sady voafefin\u2019 Andriamanitra manodidina. " }, { "verse": 24, "chapter": 3, "name": "Job 3:24", "text": "Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako; " }, { "verse": 25, "chapter": 3, "name": "Job 3:25", "text": "Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy. " }, { "verse": 26, "chapter": 3, "name": "Job 3:26", "text": "Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fak\u00e0na aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby. " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Job 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Job 4:1", "text": " Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Job 4:2", "text": "Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany? " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Job 4:3", "text": "Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao; " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Job 4:4", "text": "Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Job 4:5", "text": "Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Job 4:6", "text": "Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian\u2019 ny lalanao? " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Job 4:7", "text": "Mas\u00ecna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Job 4:8", "text": "Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Job 4:9", "text": "Ny fofonain\u2019 Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain\u2019 ny fahatezerany no mahalevona azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 4, "name": "Job 4:10", "text": "Ny feon\u2019 ny olona, eny, ny feon\u2019 ny liona masiaka, ary ny nifin\u2019 ny liona tanora dia ombotana; " }, { "verse": 11, "chapter": 4, "name": "Job 4:11", "text": "Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy. " }, { "verse": 12, "chapter": 4, "name": "Job 4:12", "text": "Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy, " }, { "verse": 13, "chapter": 4, "name": "Job 4:13", "text": "Tamin\u2019 ny eritreritra avy amin\u2019 ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona, " }, { "verse": 14, "chapter": 4, "name": "Job 4:14", "text": "Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany. " }, { "verse": 15, "chapter": 4, "name": "Job 4:15", "text": "Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako. " }, { "verse": 16, "chapter": 4, "name": "Job 4:16", "text": "Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan\u2019 ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe: " }, { "verse": 17, "chapter": 4, "name": "Job 4:17", "text": "Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak\u2019 olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona? " }, { "verse": 18, "chapter": 4, "name": "Job 4:18", "text": "Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra. " }, { "verse": 19, "chapter": 4, "name": "Job 4:19", "text": "Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin\u2019 ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy; " }, { "verse": 20, "chapter": 4, "name": "Job 4:20", "text": "Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 4, "name": "Job 4:21", "text": "Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Job 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Job 5:1", "text": "Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin\u2019 ireo mas\u00ecna no hotodihinao? " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Job 5:2", "text": "Fa ny adala dia vonoin\u2019 ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin\u2019 ny fialonana. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Job 5:3", "text": "Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho; " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Job 5:4", "text": "Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy; " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Job 5:5", "text": "Ny vokatry ny taniny dia lanin\u2019 ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Job 5:6", "text": "Fa tsy mivoaka avy amin\u2019 ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin\u2019 ny tany ny fahoriana, " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Job 5:7", "text": "Nefa teraka ho amin\u2019 ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin\u2019 ny kilalaon\u2019 afo miakatra " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Job 5:8", "text": "Fa raha toa ahy kosa dia hitady an\u2019 Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko, " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Job 5:9", "text": "Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa, " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Job 5:10", "text": "Dia Izay mampilatsaka ranonorana et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany ary mampandeha rano eny amin\u2019 ny saha, " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Job 5:11", "text": "Ka apetrany amin\u2019 ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin\u2019 ny fahafinaretana ny miory, " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Job 5:12", "text": "Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan\u2019 ny t\u00e0nany na inona na inona hahasoa ny tenany; " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Job 5:13", "text": "Ny fahafetsen\u2019 ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon\u2019 ny mpiolakolaka dia rava; " }, { "verse": 14, "chapter": 5, "name": "Job 5:14", "text": "Na dia amin\u2019 ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin\u2019 ny maizina ireny ka miraparapa amin\u2019 ny mitataovovonana tahaka ny amin\u2019 ny alina; " }, { "verse": 15, "chapter": 5, "name": "Job 5:15", "text": "Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan\u2019 ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon\u2019 ny tanan\u2019 ny mahery izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 5, "name": "Job 5:16", "text": "Dia misy fanantenana ho an\u2019 ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava " }, { "verse": 17, "chapter": 5, "name": "Job 5:17", "text": "Indro, sambatra ny zanak\u2019 olombelona izay anarin\u2019 Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan\u2019 ny Tsitoha; " }, { "verse": 18, "chapter": 5, "name": "Job 5:18", "text": "Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny t\u00e0nany ihany no manasitrana. " }, { "verse": 19, "chapter": 5, "name": "Job 5:19", "text": "Amin\u2019 ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin\u2019 ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao. " }, { "verse": 20, "chapter": 5, "name": "Job 5:20", "text": "Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin\u2019 ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan\u2019 ny sabatra Izy; " }, { "verse": 21, "chapter": 5, "name": "Job 5:21", "text": "Hampiereny tsy ho voan\u2019 ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana; " }, { "verse": 22, "chapter": 5, "name": "Job 5:22", "text": "Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia; " }, { "verse": 23, "chapter": 5, "name": "Job 5:23", "text": "Fa vita fanekena amin\u2019 ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao; " }, { "verse": 24, "chapter": 5, "name": "Job 5:24", "text": "Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao; " }, { "verse": 25, "chapter": 5, "name": "Job 5:25", "text": "Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin\u2019 ny tany; " }, { "verse": 26, "chapter": 5, "name": "Job 5:26", "text": "Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin\u2019 ny fotoana. " }, { "verse": 27, "chapter": 5, "name": "Job 5:27", "text": "Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Job 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Job 6:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Job 6:2", "text": "Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin\u2019 ny mizana izy sy ny fahoriako! " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Job 6:3", "text": "Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Job 6:4", "text": "Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy. " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Job 6:5", "text": "Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin\u2019 ny vilona? Na mim\u00e0m\u00e0 va ny omby, raha eo amin\u2019 ny fihinany? " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Job 6:6", "text": "Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin\u2019 atody? " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Job 6:7", "text": "Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Job 6:8", "text": "Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen\u2019 Andriamanitra ahy anie izay iriko! " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Job 6:9", "text": "Ka ho sitrak\u2019 Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny t\u00e0nany ka hahamaito ny aiko, " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Job 6:10", "text": "Dia hahita fiononana amin\u2019 izany aho ka hiravoravo na dia amin\u2019 ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nand\u00e0 ny tenin\u2019 ny Iray Mas\u00ecna aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Job 6:11", "text": "Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? " }, { "verse": 12, "chapter": 6, "name": "Job 6:12", "text": "Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko? " }, { "verse": 13, "chapter": 6, "name": "Job 6:13", "text": "Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana? " }, { "verse": 14, "chapter": 6, "name": "Job 6:14", "text": "Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran\u2019 ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 6, "name": "Job 6:15", "text": "Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra, " }, { "verse": 16, "chapter": 6, "name": "Job 6:16", "text": "Izay mainty azon\u2019 ny ranomandry Sady iafenan\u2019 ny oram-panala; " }, { "verse": 17, "chapter": 6, "name": "Job 6:17", "text": "Fa raha taninin\u2019 ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin\u2019 ny fitoerany izy; " }, { "verse": 18, "chapter": 6, "name": "Job 6:18", "text": "Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona. " }, { "verse": 19, "chapter": 6, "name": "Job 6:19", "text": "Ny antokon\u2019 i Tema mitazana, ny andian\u2019 i Sheba manantena azy; " }, { "verse": 20, "chapter": 6, "name": "Job 6:20", "text": "Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay. " }, { "verse": 21, "chapter": 6, "name": "Job 6:21", "text": "Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra. " }, { "verse": 22, "chapter": 6, "name": "Job 6:22", "text": "Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin\u2019 ny fanananareo, " }, { "verse": 23, "chapter": 6, "name": "Job 6:23", "text": "Ary vonjeo amin\u2019 ny tanan\u2019 ny fahavalo aho, ka afaho amin\u2019 ny tanan\u2019 ny mpitohatoha? " }, { "verse": 24, "chapter": 6, "name": "Job 6:24", "text": "Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho. " }, { "verse": 25, "chapter": 6, "name": "Job 6:25", "text": "Endrey ny herin\u2019 ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo? " }, { "verse": 26, "chapter": 6, "name": "Job 6:26", "text": "Ny amin\u2019 ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin\u2019 ny rivotra ny tenin\u2019 ny olona mamoy fo. " }, { "verse": 27, "chapter": 6, "name": "Job 6:27", "text": "Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra. " }, { "verse": 28, "chapter": 6, "name": "Job 6:28", "text": "Fa ankehitriny, mas\u00ecna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho. " }, { "verse": 29, "chapter": 6, "name": "Job 6:29", "text": "Mas\u00ecna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako. " }, { "verse": 30, "chapter": 6, "name": "Job 6:30", "text": "Moa misy heloka va eo amin\u2019 ny lelako? " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Job 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Job 7:1", "text": "Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak\u2019 olombelona et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany? Ary tsy tahaka ny andron\u2019 ny mpikarama va ny androny? " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Job 7:2", "text": "Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman\u2019 ny asany, " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Job 7:3", "text": "Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Job 7:4", "text": "Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan\u2019 ny andro. " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Job 7:5", "text": "Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray. " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Job 7:6", "text": "Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana. " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Job 7:7", "text": "Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Job 7:8", "text": "Tsy hahita ahy intsony ny mason\u2019 izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Job 7:9", "text": "Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay mid\u00ecna any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Job 7:10", "text": "Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Job 7:11", "text": "Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian\u2019 ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian\u2019 ny aiko. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Job 7:12", "text": "Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana? " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Job 7:13", "text": "Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako. " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Job 7:14", "text": "Dia mampitahotra ahy amin\u2019 ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin\u2019 ny tsindrimandry; " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Job 7:15", "text": "Ka dia aleon\u2019 ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato; " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Job 7:16", "text": "Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Job 7:17", "text": "Inona moa ny zanak\u2019 olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao, " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Job 7:18", "text": "Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso? " }, { "verse": 19, "chapter": 7, "name": "Job 7:19", "text": "Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora? " }, { "verse": 20, "chapter": 7, "name": "Job 7:20", "text": "Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho? " }, { "verse": 21, "chapter": 7, "name": "Job 7:21", "text": "Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin\u2019 ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho at\u1ef3 intsony aho. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Job 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Job 8:1", "text": " Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Job 8:2", "text": "Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao? " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Job 8:3", "text": "Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny? " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Job 8:4", "text": "Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany. " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Job 8:5", "text": "Fa raha ianao kosa mandroso mitady an\u2019 Andriamanitra ka mifona amin\u2019 ny Tsitoha. " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Job 8:6", "text": "Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan\u2019 ny fahamarinanao, " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Job 8:7", "text": "Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Job 8:8", "text": "Fa mas\u00ecna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan\u2019 ny razany " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Job 8:9", "text": "(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany); " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Job 8:10", "text": "Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony? " }, { "verse": 11, "chapter": 8, "name": "Job 8:11", "text": "Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin\u2019 ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano? " }, { "verse": 12, "chapter": 8, "name": "Job 8:12", "text": "Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan\u2019 ny zava-maitso rehetra. " }, { "verse": 13, "chapter": 8, "name": "Job 8:13", "text": "Toy izany no lalan\u2019 izay rehetra manadino an\u2019 Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan\u2019 ny mpihatsaravelatsihy, " }, { "verse": 14, "chapter": 8, "name": "Job 8:14", "text": "Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny. " }, { "verse": 15, "chapter": 8, "name": "Job 8:15", "text": "Miankina amin\u2019 ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. " }, { "verse": 16, "chapter": 8, "name": "Job 8:16", "text": "Mitsimoka tsara tandrifin\u2019 ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin\u2019 ny tanimboliny; " }, { "verse": 17, "chapter": 8, "name": "Job 8:17", "text": "Mifelipelika mifaniditra eo amin\u2019 ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany; " }, { "verse": 18, "chapter": 8, "name": "Job 8:18", "text": "Kanjo nony fongorany hiala amin\u2019 ny fitoerany izy, dia hand\u00e0 azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho. " }, { "verse": 19, "chapter": 8, "name": "Job 8:19", "text": "Indro, izany ihany no fifalian\u2019 ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin\u2019 ny vovoka. " }, { "verse": 20, "chapter": 8, "name": "Job 8:20", "text": "Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy; " }, { "verse": 21, "chapter": 8, "name": "Job 8:21", "text": "Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao. " }, { "verse": 22, "chapter": 8, "name": "Job 8:22", "text": "Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain\u2019 ny ratsy fanahy. " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Job 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Job 9:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Job 9:2", "text": "Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak\u2019 olombelona eo anatrehan\u2019 Andriamanitra? " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Job 9:3", "text": "Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin\u2019 ny arivo aza. " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Job 9:4", "text": "Hendry am-po Izy sady matanjaka amin\u2019 ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona? " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Job 9:5", "text": "Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin\u2019 ny fahatezerany, " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Job 9:6", "text": "Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin\u2019 ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny; " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Job 9:7", "text": "Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana; " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Job 9:8", "text": "Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina; " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Job 9:9", "text": "Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo, " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Job 9:10", "text": "Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Job 9:11", "text": "Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Job 9:12", "text": "Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao? " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Job 9:13", "text": "Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Job 9:14", "text": "Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy; " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Job 9:15", "text": "Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin\u2019 Ilay manana ady amiko no hany heriko. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Job 9:16", "text": "Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy. " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Job 9:17", "text": "Fa manorotoro ahy amin\u2019 ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Job 9:18", "text": "Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Job 9:19", "text": "Raha ny amin\u2019 ny herin\u2019 ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin\u2019 ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko? " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Job 9:20", "text": "Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Job 9:21", "text": "Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona. " }, { "verse": 22, "chapter": 9, "name": "Job 9:22", "text": "Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa. " }, { "verse": 23, "chapter": 9, "name": "Job 9:23", "text": "Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 9, "name": "Job 9:24", "text": "Ny tany efa voatolotra ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan\u2019 ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary? " }, { "verse": 25, "chapter": 9, "name": "Job 9:25", "text": "Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory. " }, { "verse": 26, "chapter": 9, "name": "Job 9:26", "text": "Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina. " }, { "verse": 27, "chapter": 9, "name": "Job 9:27", "text": "Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana, " }, { "verse": 28, "chapter": 9, "name": "Job 9:28", "text": "Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho. " }, { "verse": 29, "chapter": 9, "name": "Job 9:29", "text": "Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana? " }, { "verse": 30, "chapter": 9, "name": "Job 9:30", "text": "Na dia mandro amin\u2019 ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin\u2019 ny ranon-davenona, " }, { "verse": 31, "chapter": 9, "name": "Job 9:31", "text": "Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin\u2019 izay Hianao, ka hataon\u2019 ny fitafiako ho zava-betaveta aho. " }, { "verse": 32, "chapter": 9, "name": "Job 9:32", "text": "Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin\u2019 ny fitsarana. " }, { "verse": 33, "chapter": 9, "name": "Job 9:33", "text": "Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny t\u00e0nany aminay roa tonta. " }, { "verse": 34, "chapter": 9, "name": "Job 9:34", "text": "Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany, " }, { "verse": 35, "chapter": 9, "name": "Job 9:35", "text": "Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho. " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Job 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Job 10:1", "text": "Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian\u2019 ny fanahiko " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Job 10:2", "text": "Hanao amin\u2019 Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton\u2019 ny iadianao amiko aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Job 10:3", "text": "Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin\u2019 ny fisainan\u2019 ny ratsy fanahy? " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Job 10:4", "text": "Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin\u2019 ny zanak\u2019 olombelona? " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Job 10:5", "text": "Tahaka ny andron\u2019 ny zanak\u2019 olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan\u2019 ny olombelona ny taonanao, " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Job 10:6", "text": "No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako, " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Job 10:7", "text": "Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin\u2019 ny tananao? " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Job 10:8", "text": "Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Job 10:9", "text": "Mas\u00ecna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin\u2019 ny vovoka indray Hianao! " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Job 10:10", "text": "Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry? " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Job 10:11", "text": "Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin\u2019 ny taolana sy ny ozatra. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Job 10:12", "text": "Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Job 10:13", "text": "Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao: " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Job 10:14", "text": "Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin\u2019 ny heloko. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Job 10:15", "text": "Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Job 10:16", "text": "Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Job 10:17", "text": "Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy. " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Job 10:18", "text": "Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory. " }, { "verse": 19, "chapter": 10, "name": "Job 10:19", "text": "Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. " }, { "verse": 20, "chapter": 10, "name": "Job 10:20", "text": "Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely, " }, { "verse": 21, "chapter": 10, "name": "Job 10:21", "text": "Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin\u2019 ny tanin\u2019 ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana, " }, { "verse": 22, "chapter": 10, "name": "Job 10:22", "text": "Ho any amin\u2019 ny tany maizim-pito, dia ny an\u2019 ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Job 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Job 11:1", "text": " Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Job 11:2", "text": "Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va? " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Job 11:3", "text": "Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra, " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Job 11:4", "text": "Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Job 11:5", "text": "Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao! " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Job 11:6", "text": "Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian\u2019 Andriamanitra avokoa ny helokao. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Job 11:7", "text": "Takatry ny sainao va ny fomban\u2019 Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha " }, { "verse": 8, "chapter": 11, "name": "Job 11:8", "text": "Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? " }, { "verse": 9, "chapter": 11, "name": "Job 11:9", "text": "Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina. " }, { "verse": 10, "chapter": 11, "name": "Job 11:10", "text": "Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy? " }, { "verse": 11, "chapter": 11, "name": "Job 11:11", "text": "Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 11, "name": "Job 11:12", "text": "Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona. " }, { "verse": 13, "chapter": 11, "name": "Job 11:13", "text": "Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, " }, { "verse": 14, "chapter": 11, "name": "Job 11:14", "text": "Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; " }, { "verse": 15, "chapter": 11, "name": "Job 11:15", "text": "Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; " }, { "verse": 16, "chapter": 11, "name": "Job 11:16", "text": "Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. " }, { "verse": 17, "chapter": 11, "name": "Job 11:17", "text": "Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. " }, { "verse": 18, "chapter": 11, "name": "Job 11:18", "text": "Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin\u2019 ahiahy. " }, { "verse": 19, "chapter": 11, "name": "Job 11:19", "text": "Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. " }, { "verse": 20, "chapter": 11, "name": "Job 11:20", "text": "Fa ny mason\u2019 ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fial\u00e0na aina ihany no hany sisa azony antenaina. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Job 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Job 12:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Job 12:2", "text": "Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena! " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Job 12:3", "text": "Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany? " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Job 12:4", "text": "Tonga fihomehezan\u2019 ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an\u2019 Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny. " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Job 12:5", "text": "Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin\u2019 izay ela mangozohozo ny latsa. " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Job 12:6", "text": "Mandry fahizay ny lain\u2019 ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an\u2019 Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin\u2019 ny t\u00e0nany ho andriamaniny " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Job 12:7", "text": "Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Job 12:8", "text": "Ary mak\u00e0 saina amin\u2019 ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Job 12:9", "text": "Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan\u2019 i Jehovah, " }, { "verse": 10, "chapter": 12, "name": "Job 12:10", "text": "Izay mitana ny ain\u2019 ny zava-manan\u2019 aina rehetra sy ny fofonain\u2019 ny olombelona rehetra? " }, { "verse": 11, "chapter": 12, "name": "Job 12:11", "text": "Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina? " }, { "verse": 12, "chapter": 12, "name": "Job 12:12", "text": "Ao amin\u2019 ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana. " }, { "verse": 13, "chapter": 12, "name": "Job 12:13", "text": "Ao amin\u2019 Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana. " }, { "verse": 14, "chapter": 12, "name": "Job 12:14", "text": "Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana. " }, { "verse": 15, "chapter": 12, "name": "Job 12:15", "text": "Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany. " }, { "verse": 16, "chapter": 12, "name": "Job 12:16", "text": "Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka. " }, { "verse": 17, "chapter": 12, "name": "Job 12:17", "text": "Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan\u2019 ny mpitsara. " }, { "verse": 18, "chapter": 12, "name": "Job 12:18", "text": "Vahany ny fifehezan\u2019 ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany. " }, { "verse": 19, "chapter": 12, "name": "Job 12:19", "text": "Al\u00e0ny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany. " }, { "verse": 20, "chapter": 12, "name": "Job 12:20", "text": "Koroiny ny laha-tenin\u2019 ny mahay, ary ny fahazavan-tsain\u2019 ny anti-panahy dia esoriny. " }, { "verse": 21, "chapter": 12, "name": "Job 12:21", "text": "Mandatsaka fanamavoana amin\u2019 ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon\u2019 ny matanjaka. " }, { "verse": 22, "chapter": 12, "name": "Job 12:22", "text": "Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin\u2019 ny mazava. " }, { "verse": 23, "chapter": 12, "name": "Job 12:23", "text": "Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray. " }, { "verse": 24, "chapter": 12, "name": "Job 12:24", "text": "Mahavery saina ny loholona amin\u2019 ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; " }, { "verse": 25, "chapter": 12, "name": "Job 12:25", "text": "Mitsapatsapa amin\u2019 ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Job 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Job 13:1", "text": "Indro, izany rehetra izany efa hitan\u2019 ny masoko, ary efa ren\u2019 ny sofiko ka fantany. " }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Job 13:2", "text": "Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory. " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Job 13:3", "text": "Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny. " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Job 13:4", "text": "Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra, " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Job 13:5", "text": "Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany! " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Job 13:6", "text": "Mas\u00ecna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro. " }, { "verse": 7, "chapter": 13, "name": "Job 13:7", "text": "Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an\u2019 Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo? " }, { "verse": 8, "chapter": 13, "name": "Job 13:8", "text": "Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an\u2019 Andriamanitra va ianareo " }, { "verse": 9, "chapter": 13, "name": "Job 13:9", "text": "Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak\u2019 olombelona va Izy? " }, { "verse": 10, "chapter": 13, "name": "Job 13:10", "text": "Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo. " }, { "verse": 11, "chapter": 13, "name": "Job 13:11", "text": "Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy? " }, { "verse": 12, "chapter": 13, "name": "Job 13:12", "text": "Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo. " }, { "verse": 13, "chapter": 13, "name": "Job 13:13", "text": "Mang\u00ecna, ka mial\u00e0 amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy. " }, { "verse": 14, "chapter": 13, "name": "Job 13:14", "text": "Nahoana no hitondra ny nofoko amin\u2019 ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho. " }, { "verse": 15, "chapter": 13, "name": "Job 13:15", "text": "Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 13, "name": "Job 13:16", "text": "Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany. " }, { "verse": 17, "chapter": 13, "name": "Job 13:17", "text": "Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren\u2019 ny sofinareo ny filaz\u00e0ko. " }, { "verse": 18, "chapter": 13, "name": "Job 13:18", "text": "Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho. " }, { "verse": 19, "chapter": 13, "name": "Job 13:19", "text": "Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina. " }, { "verse": 20, "chapter": 13, "name": "Job 13:20", "text": "Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho; " }, { "verse": 21, "chapter": 13, "name": "Job 13:21", "text": "Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao. " }, { "verse": 22, "chapter": 13, "name": "Job 13:22", "text": "Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho. " }, { "verse": 23, "chapter": 13, "name": "Job 13:23", "text": "Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho. " }, { "verse": 24, "chapter": 13, "name": "Job 13:24", "text": "Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao? " }, { "verse": 25, "chapter": 13, "name": "Job 13:25", "text": "Moa izay ravin-kazo indaosin\u2019 ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao? " }, { "verse": 26, "chapter": 13, "name": "Job 13:26", "text": "Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako; " }, { "verse": 27, "chapter": 13, "name": "Job 13:27", "text": "Dia mampiditra ny tongotro eo amin\u2019 ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin\u2019 ny tongotro dia feranao. " }, { "verse": 28, "chapter": 13, "name": "Job 13:28", "text": "Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin\u2019 ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin\u2019 ny kalalao. " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Job 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Job 14:1", "text": "Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Job 14:2", "text": "Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Job 14:3", "text": "kanefa amin\u2019 izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin\u2019 ny fitsarana! " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Job 14:4", "text": "Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza. " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Job 14:5", "text": "Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan\u2019 ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana, " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Job 14:6", "text": "Dia mihod\u00ecna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin\u2019 ny androny toy ny mpikarama. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Job 14:7", "text": "Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony; " }, { "verse": 8, "chapter": 14, "name": "Job 14:8", "text": "Na dia efa tonga antitra ao amin\u2019 ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin\u2019 ny vovoka ny fotony, " }, { "verse": 9, "chapter": 14, "name": "Job 14:9", "text": "Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena. " }, { "verse": 10, "chapter": 14, "name": "Job 14:10", "text": "Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy? " }, { "verse": 11, "chapter": 14, "name": "Job 14:11", "text": "Ny rano miala eo amin\u2019 ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra, " }, { "verse": 12, "chapter": 14, "name": "Job 14:12", "text": "Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian\u2019 ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin\u2019 ny torimasony. " }, { "verse": 13, "chapter": 14, "name": "Job 14:13", "text": "Enga anie ka hanafina ahy any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr\u2019 andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy " }, { "verse": 14, "chapter": 14, "name": "Job 14:14", "text": "Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan\u2019 ny fahafahako. " }, { "verse": 15, "chapter": 14, "name": "Job 14:15", "text": "Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan\u2019 ny tananao Hianao. " }, { "verse": 16, "chapter": 14, "name": "Job 14:16", "text": "Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao? " }, { "verse": 17, "chapter": 14, "name": "Job 14:17", "text": "Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko. " }, { "verse": 18, "chapter": 14, "name": "Job 14:18", "text": "Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin\u2019 ny fitoerany; " }, { "verse": 19, "chapter": 14, "name": "Job 14:19", "text": "Lanin\u2019 ny rano ny vato; ary indaosin\u2019 ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan\u2019 ny zanak\u2019 olombelona. " }, { "verse": 20, "chapter": 14, "name": "Job 14:20", "text": "Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy. " }, { "verse": 21, "chapter": 14, "name": "Job 14:21", "text": "Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany. " }, { "verse": 22, "chapter": 14, "name": "Job 14:22", "text": "Ny mihatra amin\u2019 ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin\u2019 ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Job 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Job 15:1", "text": " Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Job 15:2", "text": "Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin\u2019 ny rivotra avy any atsinanana va, " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Job 15:3", "text": "Ary hamaly amin\u2019 ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara? " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Job 15:4", "text": "Eny, foananao ny fahatahorana an\u2019 Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany; " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Job 15:5", "text": "Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan\u2019 ny fetsy ianao. " }, { "verse": 6, "chapter": 15, "name": "Job 15:6", "text": "Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao. " }, { "verse": 7, "chapter": 15, "name": "Job 15:7", "text": "Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan\u2019 ny tendrombohitra va ianao? " }, { "verse": 8, "chapter": 15, "name": "Job 15:8", "text": "Isan\u2019 ny mpihevitra teo amin\u2019 Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena? " }, { "verse": 9, "chapter": 15, "name": "Job 15:9", "text": "Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa? " }, { "verse": 10, "chapter": 15, "name": "Job 15:10", "text": "Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza. " }, { "verse": 11, "chapter": 15, "name": "Job 15:11", "text": "Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin\u2019 Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin\u2019 ny fahalemem-panahy? " }, { "verse": 12, "chapter": 15, "name": "Job 15:12", "text": "Nahoana no dia entin\u2019 ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao, " }, { "verse": 13, "chapter": 15, "name": "Job 15:13", "text": "Ka miefonefona amin\u2019 Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao? " }, { "verse": 14, "chapter": 15, "name": "Job 15:14", "text": "Inona ny zanak\u2019 olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina? " }, { "verse": 15, "chapter": 15, "name": "Job 15:15", "text": "Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony; " }, { "verse": 16, "chapter": 15, "name": "Job 15:16", "text": "Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano! " }, { "verse": 17, "chapter": 15, "name": "Job 15:17", "text": "Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko, " }, { "verse": 18, "chapter": 15, "name": "Job 15:18", "text": "Dia zavatra notorin\u2019 ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin\u2019 ny razany; " }, { "verse": 19, "chapter": 15, "name": "Job 15:19", "text": "Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy. " }, { "verse": 20, "chapter": 15, "name": "Job 15:20", "text": "Ny ratsy fanahy mijalijaly amin\u2019 ny androny rehetra, dia amin\u2019 ny taona rehetra voatendry ho an\u2019 ny lozabe. " }, { "verse": 21, "chapter": 15, "name": "Job 15:21", "text": "Feo mampitahotra no ren\u2019 ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba. " }, { "verse": 22, "chapter": 15, "name": "Job 15:22", "text": "Tsy manantena ho afaka amin\u2019 ny maizina izy; Andrasan\u2019 ny sabatra izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 15, "name": "Job 15:23", "text": "Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina. " }, { "verse": 24, "chapter": 15, "name": "Job 15:24", "text": "Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin\u2019 ny ady, " }, { "verse": 25, "chapter": 15, "name": "Job 15:25", "text": "Satria naninjitra ny tanany hanohitra an\u2019 Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha. " }, { "verse": 26, "chapter": 15, "name": "Job 15:26", "text": "Mimaona amin\u2019 ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin\u2019 ny foitran\u2019 ampingany matevina, " }, { "verse": 27, "chapter": 15, "name": "Job 15:27", "text": "Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany; " }, { "verse": 28, "chapter": 15, "name": "Job 15:28", "text": "Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran\u2019 olona, izay efa voatendry ho korontam-bato. " }, { "verse": 29, "chapter": 15, "name": "Job 15:29", "text": "Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin\u2019 ny tany ny fananany. " }, { "verse": 30, "chapter": 15, "name": "Job 15:30", "text": "Tsy ho afaka amin\u2019 ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon\u2019 ny lelafo; ho levon\u2019 ny fofonain\u2019 Andriamanitra izy. " }, { "verse": 31, "chapter": 15, "name": "Job 15:31", "text": "Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy. " }, { "verse": 32, "chapter": 15, "name": "Job 15:32", "text": "Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany. " }, { "verse": 33, "chapter": 15, "name": "Job 15:33", "text": "Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny. " }, { "verse": 34, "chapter": 15, "name": "Job 15:34", "text": "Fa tsy ho vanona ny ankohonan\u2019 ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin\u2019 ny afo ny tranon\u2019 ny mpitoroka. " }, { "verse": 35, "chapter": 15, "name": "Job 15:35", "text": "Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Job 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Job 16:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Job 16:2", "text": "Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra. " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Job 16:3", "text": "Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany? " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Job 16:4", "text": "Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo; " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Job 16:5", "text": "Mahazo mampahery anareo amin\u2019 ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon\u2019 ny molotro. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Job 16:6", "text": "Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mang\u00ecna aza aho, dia tsy misy mihena izany. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Job 16:7", "text": "Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Job 16:8", "text": "Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Job 16:9", "text": "Amin\u2019 ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko; " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Job 16:10", "text": "Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Job 16:11", "text": "Efa voatolotr\u2019 Andriamanitra ho amin\u2019 ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-t\u00e0nan\u2019 ny mpanota. " }, { "verse": 12, "chapter": 16, "name": "Job 16:12", "text": "Tamin\u2019 ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin\u2019 ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny. " }, { "verse": 13, "chapter": 16, "name": "Job 16:13", "text": "Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsip\u00eckany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 14, "chapter": 16, "name": "Job 16:14", "text": "Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 16, "name": "Job 16:15", "text": "Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nal\u00e0ko baraka tamin\u2019 ny vovoka ny tandroko. " }, { "verse": 16, "chapter": 16, "name": "Job 16:16", "text": "Ny tavako tera-menan\u2019 ny fitomaniana, ary eo amin\u2019 ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana; " }, { "verse": 17, "chapter": 16, "name": "Job 16:17", "text": "Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako. " }, { "verse": 18, "chapter": 16, "name": "Job 16:18", "text": "Ry tany \u00f4, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako! " }, { "verse": 19, "chapter": 16, "name": "Job 16:19", "text": "Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin\u2019 ny avo. " }, { "verse": 20, "chapter": 16, "name": "Job 16:20", "text": "Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan\u2019 Andriamanitra kosa aho, " }, { "verse": 21, "chapter": 16, "name": "Job 16:21", "text": "Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak\u2019 olombelona amin\u2019 ny sakaizako. " }, { "verse": 22, "chapter": 16, "name": "Job 16:22", "text": "Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin\u2019 ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Job 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Job 17:1", "text": "Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Job 17:2", "text": "Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Job 17:3", "text": "Mas\u00ecna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy? " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Job 17:4", "text": "Fa ny fon\u2019 ireto dia voahidinao tsy hidiran\u2019 ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Job 17:5", "text": "Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason\u2019 ny zanany. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Job 17:6", "text": "Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin\u2019 ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Job 17:7", "text": "Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Job 17:8", "text": "Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy. " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Job 17:9", "text": "Fa ny marina mifikitra tsara amin\u2019 ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Job 17:10", "text": "Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Job 17:11", "text": "Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin\u2019 ny foko indrindra; " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Job 17:12", "text": "Ny alina ataon\u2019 ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Job 17:13", "text": "Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin\u2019 ny maizina no hamelarako ny fandriako. " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Job 17:14", "text": "Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Job 17:15", "text": "Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy? " }, { "verse": 16, "chapter": 17, "name": "Job 17:16", "text": "Mid\u00ecna any amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin\u2019 ny vovoka aho. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Job 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Job 18:1", "text": " Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 18, "name": "Job 18:2", "text": "Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay. " }, { "verse": 3, "chapter": 18, "name": "Job 18:3", "text": "Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo? " }, { "verse": 4, "chapter": 18, "name": "Job 18:4", "text": "Ry ilay mamiravira tena amin\u2019 ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin\u2019 ny fitoerany? " }, { "verse": 5, "chapter": 18, "name": "Job 18:5", "text": "Tsy izany, fa ho faty ny jiron\u2019 ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony; " }, { "verse": 6, "chapter": 18, "name": "Job 18:6", "text": "Ny mazava manjary maizina ao amin\u2019 ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty. " }, { "verse": 7, "chapter": 18, "name": "Job 18:7", "text": "Etena ny herin\u2019 ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy. " }, { "verse": 8, "chapter": 18, "name": "Job 18:8", "text": "Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin\u2019 ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin\u2019 ny harato izy; " }, { "verse": 9, "chapter": 18, "name": "Job 18:9", "text": "Azon\u2019 ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon\u2019 ny tadivavarana " }, { "verse": 10, "chapter": 18, "name": "Job 18:10", "text": "Miafina ao amin\u2019 ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana. " }, { "verse": 11, "chapter": 18, "name": "Job 18:11", "text": "Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin\u2019 ny alehany rehetra. " }, { "verse": 12, "chapter": 18, "name": "Job 18:12", "text": "Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany; " }, { "verse": 13, "chapter": 18, "name": "Job 18:13", "text": "Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin\u2019 ny lahimatoan\u2019 ny fahafatesana. " }, { "verse": 14, "chapter": 18, "name": "Job 18:14", "text": "Ongotana hiala amin\u2019 ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin\u2019 ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 18, "name": "Job 18:15", "text": "Izay tsy taranany no hitoetra ao amin\u2019 ny lainy; Solifara no hafafy amin\u2019 ny fonenany. " }, { "verse": 16, "chapter": 18, "name": "Job 18:16", "text": "Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony. " }, { "verse": 17, "chapter": 18, "name": "Job 18:17", "text": "Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin\u2019 ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 18, "name": "Job 18:18", "text": "Roahina hiala amin\u2019 ny mazava ho any amin\u2019 ny maizina izy ary enjehina hiala amin\u2019 izao tontolo izao. " }, { "verse": 19, "chapter": 18, "name": "Job 18:19", "text": "Tsy manana fara mandimby eo amin\u2019 ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin\u2019 ny fonenany. " }, { "verse": 20, "chapter": 18, "name": "Job 18:20", "text": "Ny manjo azy dia italanjonan\u2019 ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra. " }, { "verse": 21, "chapter": 18, "name": "Job 18:21", "text": "Izany tokoa no anjaran\u2019 ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 19, "name": "Job 19", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 19, "name": "Job 19:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 19, "name": "Job 19:2", "text": "Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin\u2019 ny fiteny? " }, { "verse": 3, "chapter": 19, "name": "Job 19:3", "text": "Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 19, "name": "Job 19:4", "text": "Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian\u2019 ny fa hadisoako. " }, { "verse": 5, "chapter": 19, "name": "Job 19:5", "text": "Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra, " }, { "verse": 6, "chapter": 19, "name": "Job 19:6", "text": "Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin\u2019 ny fandrika haratony. " }, { "verse": 7, "chapter": 19, "name": "Job 19:7", "text": "Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny. " }, { "verse": 8, "chapter": 19, "name": "Job 19:8", "text": "Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin\u2019 ny lalana alehako. " }, { "verse": 9, "chapter": 19, "name": "Job 19:9", "text": "Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako. " }, { "verse": 10, "chapter": 19, "name": "Job 19:10", "text": "Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako. " }, { "verse": 11, "chapter": 19, "name": "Job 19:11", "text": "Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 19, "name": "Job 19:12", "text": "Miara-mandroso ny antokon\u2019 ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko. " }, { "verse": 13, "chapter": 19, "name": "Job 19:13", "text": "Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa. " }, { "verse": 14, "chapter": 19, "name": "Job 19:14", "text": "Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy. " }, { "verse": 15, "chapter": 19, "name": "Job 19:15", "text": "Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho. " }, { "verse": 16, "chapter": 19, "name": "Job 19:16", "text": "Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin\u2019 ny vavako aho. " }, { "verse": 17, "chapter": 19, "name": "Job 19:17", "text": "Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak\u2019 ineny aho. " }, { "verse": 18, "chapter": 19, "name": "Job 19:18", "text": "Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny. " }, { "verse": 19, "chapter": 19, "name": "Job 19:19", "text": "Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko. " }, { "verse": 20, "chapter": 19, "name": "Job 19:20", "text": "Ny taolako miraikitra amin\u2019 ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra. " }, { "verse": 21, "chapter": 19, "name": "Job 19:21", "text": "Mamindr\u00e0 fo amiko, mamindr\u00e0 fo amiko ianareo, ry sakaizako \u00f4; fa ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitra efa mikasika ahy. " }, { "verse": 22, "chapter": 19, "name": "Job 19:22", "text": "Nahoana no manenjika ahy tahaka an\u2019 Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin\u2019 ny nofoko? " }, { "verse": 23, "chapter": 19, "name": "Job 19:23", "text": "Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin\u2019 ny boky ireny! " }, { "verse": 24, "chapter": 19, "name": "Job 19:24", "text": "Enga anie ka ho voasoratra amin\u2019 ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin\u2019 ny vatolampy ho mandrakizay izy! " }, { "verse": 25, "chapter": 19, "name": "Job 19:25", "text": "Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin\u2019 ny vovoka Izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 19, "name": "Job 19:26", "text": "Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin\u2019 ny nofoko aho, dia hahita an\u2019 Andriamanitra; " }, { "verse": 27, "chapter": 19, "name": "Job 19:27", "text": "Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko. " }, { "verse": 28, "chapter": 19, "name": "Job 19:28", "text": "Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy. " }, { "verse": 29, "chapter": 19, "name": "Job 19:29", "text": "Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana. " } ] }, { "chapter": 20, "name": "Job 20", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 20, "name": "Job 20:1", "text": " Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 20, "name": "Job 20:2", "text": "Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko. " }, { "verse": 3, "chapter": 20, "name": "Job 20:3", "text": "Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin\u2019 ny fahalalako. " }, { "verse": 4, "chapter": 20, "name": "Job 20:4", "text": "Tsy fantatrao va fa hatramin\u2019 ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tet\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany, " }, { "verse": 5, "chapter": 20, "name": "Job 20:5", "text": "Dia vetivety foana ny firavoravoan\u2019 ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian\u2019 ny mpihatsaravelatsihy? " }, { "verse": 6, "chapter": 20, "name": "Job 20:6", "text": "Fa na dia mipaka amin\u2019 ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin\u2019 ny rahona ny lohany, " }, { "verse": 7, "chapter": 20, "name": "Job 20:7", "text": "Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy? " }, { "verse": 8, "chapter": 20, "name": "Job 20:8", "text": "Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin\u2019 ny alina izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 20, "name": "Job 20:9", "text": "Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany. " }, { "verse": 10, "chapter": 20, "name": "Job 20:10", "text": "Ny zanany hitambitamby amin\u2019 ny malahelo, ary ny t\u00e0nany ihany no hampody ny hareny. " }, { "verse": 11, "chapter": 20, "name": "Job 20:11", "text": "Ny taolany dia feno ny herin\u2019 ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin\u2019 ny vovoka izany. " }, { "verse": 12, "chapter": 20, "name": "Job 20:12", "text": "Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin\u2019 ny lelany, " }, { "verse": 13, "chapter": 20, "name": "Job 20:13", "text": "Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin\u2019 ny lanilaniny ihany, " }, { "verse": 14, "chapter": 20, "name": "Job 20:14", "text": "Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon\u2019 ny vipera no ao anatiny. " }, { "verse": 15, "chapter": 20, "name": "Job 20:15", "text": "Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran\u2019 Andriamanitra hiala ao an-kibony izany. " }, { "verse": 16, "chapter": 20, "name": "Job 20:16", "text": "Ny poizin\u2019 ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan\u2019 ny menarana. " }, { "verse": 17, "chapter": 20, "name": "Job 20:17", "text": "Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono. " }, { "verse": 18, "chapter": 20, "name": "Job 20:18", "text": "Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany. " }, { "verse": 19, "chapter": 20, "name": "Job 20:19", "text": "Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 20, "name": "Job 20:20", "text": "Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin\u2019 ny tiany indrindra izy. " }, { "verse": 21, "chapter": 20, "name": "Job 20:21", "text": "Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany. " }, { "verse": 22, "chapter": 20, "name": "Job 20:22", "text": "Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan\u2019 ny ory no hamely azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 20, "name": "Job 20:23", "text": "Halefan\u2019 Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy. " }, { "verse": 24, "chapter": 20, "name": "Job 20:24", "text": "Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsip\u00ecka varahina; " }, { "verse": 25, "chapter": 20, "name": "Job 20:25", "text": "Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin\u2019 ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin\u2019 ny aferony; Lasa izy azon\u2019 ny fahatahorana mafy. " }, { "verse": 26, "chapter": 20, "name": "Job 20:26", "text": "Ny aizim-pito no voarakitra ho amin\u2019 ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin\u2019 ny lainy. " }, { "verse": 27, "chapter": 20, "name": "Job 20:27", "text": "Hambaran\u2019 ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy, " }, { "verse": 28, "chapter": 20, "name": "Job 20:28", "text": "Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin\u2019 ny andro fahatezerany. " }, { "verse": 29, "chapter": 20, "name": "Job 20:29", "text": "Izany no anjaran\u2019 ny ratsy fanahy avy amin\u2019 Andriamanitra, sy lova voatendrin\u2019 Andriamanitra ho azy. " } ] }, { "chapter": 21, "name": "Job 21", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 21, "name": "Job 21:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 21, "name": "Job 21:2", "text": "Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 21, "name": "Job 21:3", "text": "Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalats\u00e0 ihany indray ianareo. " }, { "verse": 4, "chapter": 21, "name": "Job 21:4", "text": "Raha ny amiko, moa ny ataon\u2019 ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko? " }, { "verse": 5, "chapter": 21, "name": "Job 21:5", "text": "Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava. " }, { "verse": 6, "chapter": 21, "name": "Job 21:6", "text": "Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako: " }, { "verse": 7, "chapter": 21, "name": "Job 21:7", "text": "Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery? " }, { "verse": 8, "chapter": 21, "name": "Job 21:8", "text": "Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany. " }, { "verse": 9, "chapter": 21, "name": "Job 21:9", "text": "Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon\u2019 Andriamanitra tsy mamely azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 21, "name": "Job 21:10", "text": "Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra. " }, { "verse": 11, "chapter": 21, "name": "Job 21:11", "text": "Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman\u2019 osy izy, ka mikoriana ny zanany. " }, { "verse": 12, "chapter": 21, "name": "Job 21:12", "text": "Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin\u2019 ny feon-tsodina. " }, { "verse": 13, "chapter": 21, "name": "Job 21:13", "text": "Mandany ny androny amin\u2019 ny fahafinaretana izy; Amin\u2019 ny indray mipi-maso monja no idinany any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita. " }, { "verse": 14, "chapter": 21, "name": "Job 21:14", "text": "Kanefa anie ireo no manao amin\u2019 Andriamanitra hoe: Mial\u00e0 aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao. " }, { "verse": 15, "chapter": 21, "name": "Job 21:15", "text": "Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy? " }, { "verse": 16, "chapter": 21, "name": "Job 21:16", "text": "Indro, tsy avy amin\u2019 ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan\u2019 ny ratsy fanahy! " }, { "verse": 17, "chapter": 21, "name": "Job 21:17", "text": "Indraindray foana no mba maty ny jiron\u2019 ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran\u2019 Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany, " }, { "verse": 18, "chapter": 21, "name": "Job 21:18", "text": "Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin\u2019 ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin\u2019 ny tafio-drivotra. " }, { "verse": 19, "chapter": 21, "name": "Job 21:19", "text": "Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan\u2019 ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany. " }, { "verse": 20, "chapter": 21, "name": "Job 21:20", "text": "Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran\u2019 ny Tsitoha. " }, { "verse": 21, "chapter": 21, "name": "Job 21:21", "text": "Fa mampaninona azy moa ny amin\u2019 ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan\u2019 ny androny? " }, { "verse": 22, "chapter": 21, "name": "Job 21:22", "text": "Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza? " }, { "verse": 23, "chapter": 21, "name": "Job 21:23", "text": "Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy; " }, { "verse": 24, "chapter": 21, "name": "Job 21:24", "text": "Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany. " }, { "verse": 25, "chapter": 21, "name": "Job 21:25", "text": "Ary ny anankiray maty amin\u2019 ny fahorian\u2019 ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory. " }, { "verse": 26, "chapter": 21, "name": "Job 21:26", "text": "Samy mandry ao amin\u2019 ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany. " }, { "verse": 27, "chapter": 21, "name": "Job 21:27", "text": "Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy; " }, { "verse": 28, "chapter": 21, "name": "Job 21:28", "text": "Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon\u2019 ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran\u2019 ny ratsy fanahy? " }, { "verse": 29, "chapter": 21, "name": "Job 21:29", "text": "Kanefa tsy mba nanontany tamin\u2019 ny mpandeha amin\u2019 ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran\u2019 Ireo hoe: " }, { "verse": 30, "chapter": 21, "name": "Job 21:30", "text": "Amin\u2019 ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin\u2019 ny andro fahatezerana dia enti-miala izy? " }, { "verse": 31, "chapter": 21, "name": "Job 21:31", "text": "Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? " }, { "verse": 32, "chapter": 21, "name": "Job 21:32", "text": "Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana; " }, { "verse": 33, "chapter": 21, "name": "Job 21:33", "text": "Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan\u2019 ny maro tany alohany. " }, { "verse": 34, "chapter": 21, "name": "Job 21:34", "text": "Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany! " } ] }, { "chapter": 22, "name": "Job 22", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 22, "name": "Job 22:1", "text": " Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 22, "name": "Job 22:2", "text": "Mahasoa an\u2019 Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry. " }, { "verse": 3, "chapter": 22, "name": "Job 22:3", "text": "Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao? " }, { "verse": 4, "chapter": 22, "name": "Job 22:4", "text": "Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin\u2019 ny fitsarana? " }, { "verse": 5, "chapter": 22, "name": "Job 22:5", "text": "Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao? " }, { "verse": 6, "chapter": 22, "name": "Job 22:6", "text": "Fa efa naka tsat\u00f2ka tsy ahoan-tsy ahoana tamin\u2019 ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon\u2019 ny mahantra. " }, { "verse": 7, "chapter": 22, "name": "Job 22:7", "text": "Tsy nanome rano hosotroin\u2019 ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an\u2019 ny noana. " }, { "verse": 8, "chapter": 22, "name": "Job 22:8", "text": "Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo. " }, { "verse": 9, "chapter": 22, "name": "Job 22:9", "text": "Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin\u2019 ny kamboty. " }, { "verse": 10, "chapter": 22, "name": "Job 22:10", "text": "Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka; " }, { "verse": 11, "chapter": 22, "name": "Job 22:11", "text": "Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao? " }, { "verse": 12, "chapter": 22, "name": "Job 22:12", "text": "Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon\u2019 ny kintana, endrey ny hahavony! " }, { "verse": 13, "chapter": 22, "name": "Job 22:13", "text": "Nefa hoy ianao: Ataon\u2019 Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy? " }, { "verse": 14, "chapter": 22, "name": "Job 22:14", "text": "Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin\u2019 ny lanitra Izy. " }, { "verse": 15, "chapter": 22, "name": "Job 22:15", "text": "Moa hizotra amin\u2019 ny lalana izay nalehan\u2019 ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan\u2019 ny olona ratsy fanahy. " }, { "verse": 16, "chapter": 22, "name": "Job 22:16", "text": "Izay nesorina alohan\u2019 ny androny, ka nindaosin\u2019 ny riaka ny fanorenany, " }, { "verse": 17, "chapter": 22, "name": "Job 22:17", "text": "Dia ireo izay manao tamin\u2019 Andriamanitra hoe: Mial\u00e0 aminay! Ary inona no azon\u2019 ny Tsitoha atao ho anay? " }, { "verse": 18, "chapter": 22, "name": "Job 22:18", "text": "Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan\u2019 ny ratsy fanahy! " }, { "verse": 19, "chapter": 22, "name": "Job 22:19", "text": "Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe: " }, { "verse": 20, "chapter": 22, "name": "Job 22:20", "text": "Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon\u2019 ny afo. " }, { "verse": 21, "chapter": 22, "name": "Job 22:21", "text": "Mifankazara amin\u2019 ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan\u2019 ny soa aminao. " }, { "verse": 22, "chapter": 22, "name": "Job 22:22", "text": "Mas\u00ecna ianao, mandraisa fampianarana avy amin\u2019 ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. " }, { "verse": 23, "chapter": 22, "name": "Job 22:23", "text": "Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka. " }, { "verse": 24, "chapter": 22, "name": "Job 22:24", "text": "Ario eny amin\u2019 ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin\u2019 ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira; " }, { "verse": 25, "chapter": 22, "name": "Job 22:25", "text": "Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. " }, { "verse": 26, "chapter": 22, "name": "Job 22:26", "text": "Fa amin\u2019 izany dia hiravoravo amin\u2019 ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 27, "chapter": 22, "name": "Job 22:27", "text": "Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao. " }, { "verse": 28, "chapter": 22, "name": "Job 22:28", "text": "Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin\u2019 ny lalanao ny mazava. " }, { "verse": 29, "chapter": 22, "name": "Job 22:29", "text": "Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny. " }, { "verse": 30, "chapter": 22, "name": "Job 22:30", "text": "Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan\u2019 ny tananao no hamonjena azy. " } ] }, { "chapter": 23, "name": "Job 23", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 23, "name": "Job 23:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 23, "name": "Job 23:2", "text": "Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin\u2019 ny fisentoako. " }, { "verse": 3, "chapter": 23, "name": "Job 23:3", "text": "Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin\u2019 ny fitoerany aza! " }, { "verse": 4, "chapter": 23, "name": "Job 23:4", "text": "Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako; " }, { "verse": 5, "chapter": 23, "name": "Job 23:5", "text": "Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko. " }, { "verse": 6, "chapter": 23, "name": "Job 23:6", "text": "Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy " }, { "verse": 7, "chapter": 23, "name": "Job 23:7", "text": "Fa amin\u2019 izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin\u2019 ny Mpitsara ahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 23, "name": "Job 23:8", "text": "Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy; " }, { "verse": 9, "chapter": 23, "name": "Job 23:9", "text": "Mianavaratra amin\u2019 izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako. " }, { "verse": 10, "chapter": 23, "name": "Job 23:10", "text": "Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. " }, { "verse": 11, "chapter": 23, "name": "Job 23:11", "text": "Ny tongotro nifikitra tamin\u2019 ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. " }, { "verse": 12, "chapter": 23, "name": "Job 23:12", "text": "Ny didin\u2019 ny molony tsy mba nialako; Ny tenin\u2019 ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. " }, { "verse": 13, "chapter": 23, "name": "Job 23:13", "text": "Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin\u2019 ny fanahiny dia ataony. " }, { "verse": 14, "chapter": 23, "name": "Job 23:14", "text": "Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy; " }, { "verse": 15, "chapter": 23, "name": "Job 23:15", "text": "Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy. " }, { "verse": 16, "chapter": 23, "name": "Job 23:16", "text": "Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy; " }, { "verse": 17, "chapter": 23, "name": "Job 23:17", "text": "Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako. " } ] }, { "chapter": 24, "name": "Job 24", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 24, "name": "Job 24:1", "text": "Nahoana no tsy misy fotoan\u2019 andro voatendrin\u2019 ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan\u2019 ny mahalala Azy izany androny Izany? " }, { "verse": 2, "chapter": 24, "name": "Job 24:2", "text": "Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman\u2019 ondry sady miandry azy. " }, { "verse": 3, "chapter": 24, "name": "Job 24:3", "text": "Mandroaka ny borikin\u2019 ny kamboty izy, ary maka ny ombin\u2019 ny mpitondratena ho tsat\u00f2ka. " }, { "verse": 4, "chapter": 24, "name": "Job 24:4", "text": "Manosika ny mahantra hiala amin\u2019 ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 5, "chapter": 24, "name": "Job 24:5", "text": "Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak\u2019 ireny ho amin\u2019 ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an\u2019 ny zanany. " }, { "verse": 6, "chapter": 24, "name": "Job 24:6", "text": "Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy. " }, { "verse": 7, "chapter": 24, "name": "Job 24:7", "text": "Mandry mitanjaka amin\u2019 ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin\u2019 ny hatsiaka; " }, { "verse": 8, "chapter": 24, "name": "Job 24:8", "text": "Kotsan\u2019 ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin\u2019 ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana. " }, { "verse": 9, "chapter": 24, "name": "Job 24:9", "text": "Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsat\u00f2ka amin\u2019 ny ory. " }, { "verse": 10, "chapter": 24, "name": "Job 24:10", "text": "Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary. " }, { "verse": 11, "chapter": 24, "name": "Job 24:11", "text": "Manao diloilo eo anatin\u2019 ny tambohon\u2019 ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany. " }, { "verse": 12, "chapter": 24, "name": "Job 24:12", "text": "Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin\u2019 ny voalefona; Nefa tsy ahoan\u2019 Andriamanitra akory ny ratsy atao. " }, { "verse": 13, "chapter": 24, "name": "Job 24:13", "text": "Ireny no mpikomy amin\u2019 ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin\u2019 ny alehany. " }, { "verse": 14, "chapter": 24, "name": "Job 24:14", "text": "Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra. " }, { "verse": 15, "chapter": 24, "name": "Job 24:15", "text": "Ny mason\u2019 ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 24, "name": "Job 24:16", "text": "Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy; " }, { "verse": 17, "chapter": 24, "name": "Job 24:17", "text": "Fa ny aizim-pito no marainan\u2019 ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran\u2019 ny aizim-pito izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 24, "name": "Job 24:18", "text": "Mitsinkafona paohin\u2019 ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin\u2019 ny tany; Tsy mivily ho amin\u2019 ny lalana mankeny amin\u2019 ny tanim-boaloboka izy. " }, { "verse": 19, "chapter": 24, "name": "Job 24:19", "text": "Toy ny andevonan\u2019 ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan\u2019 ny fiainan-tsi-hita ny mpanota. " }, { "verse": 20, "chapter": 24, "name": "Job 24:20", "text": "Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an\u2019 ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy, " }, { "verse": 21, "chapter": 24, "name": "Job 24:21", "text": "Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena. " }, { "verse": 22, "chapter": 24, "name": "Job 24:22", "text": "Kanefa halavain\u2019 Andriamanitra amin\u2019 ny heriny ny andron\u2019 ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza. " }, { "verse": 23, "chapter": 24, "name": "Job 24:23", "text": "Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany. " }, { "verse": 24, "chapter": 24, "name": "Job 24:24", "text": "Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary. " }, { "verse": 25, "chapter": 24, "name": "Job 24:25", "text": "Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona. " } ] }, { "chapter": 25, "name": "Job 25", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 25, "name": "Job 25:1", "text": " Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe. " }, { "verse": 2, "chapter": 25, "name": "Job 25:2", "text": "Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin\u2019 ny avo Izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 25, "name": "Job 25:3", "text": "Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan\u2019 iza no tsy ihoaran\u2019 ny Azy? " }, { "verse": 4, "chapter": 25, "name": "Job 25:4", "text": "Ary aiza no hahamarina ny zanak\u2019 olombelona eo anatrehan\u2019 Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy? " }, { "verse": 5, "chapter": 25, "name": "Job 25:5", "text": "Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony; " }, { "verse": 6, "chapter": 25, "name": "Job 25:6", "text": "Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak\u2019 olombelona, izay olitra. " } ] }, { "chapter": 26, "name": "Job 26", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 26, "name": "Job 26:1", "text": " Dia namaly Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 26, "name": "Job 26:2", "text": "Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy! " }, { "verse": 3, "chapter": 26, "name": "Job 26:3", "text": "Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka! " }, { "verse": 4, "chapter": 26, "name": "Job 26:4", "text": "Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin\u2019 izay no nivoaka avy tao aminao? " }, { "verse": 5, "chapter": 26, "name": "Job 26:5", "text": "Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin\u2019 ny rano sy any ambanin\u2019 ny mponina any. " }, { "verse": 6, "chapter": 26, "name": "Job 26:6", "text": "Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. " }, { "verse": 7, "chapter": 26, "name": "Job 26:7", "text": "Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin\u2019 ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin\u2019 ny tsy misy. " }, { "verse": 8, "chapter": 26, "name": "Job 26:8", "text": "Fonosiny amin\u2019 ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin\u2019 ny rahona tsy mety triatra. " }, { "verse": 9, "chapter": 26, "name": "Job 26:9", "text": "Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin\u2019 ny amelarany ny rahony hanarona azy. " }, { "verse": 10, "chapter": 26, "name": "Job 26:10", "text": "Asiany faritra manodidina eny ambonin\u2019 ny rano. Hatramin\u2019 izay ihaonan\u2019 ny mazava sy ny maizina. " }, { "verse": 11, "chapter": 26, "name": "Job 26:11", "text": "Ny andrin\u2019 ny lanitra nihozongozona sady ankona amin\u2019 ny teny mafy ataony. " }, { "verse": 12, "chapter": 26, "name": "Job 26:12", "text": "Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba; " }, { "verse": 13, "chapter": 26, "name": "Job 26:13", "text": "Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny t\u00e0nany no nitomboka ny menarana mandositra. " }, { "verse": 14, "chapter": 26, "name": "Job 26:14", "text": "Indro, ireny dia vao ny sisintsisin\u2019 ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany? " } ] }, { "chapter": 27, "name": "Job 27", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 27, "name": "Job 27:1", "text": "Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 27, "name": "Job 27:2", "text": "Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nand\u00e0 tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko. " }, { "verse": 3, "chapter": 27, "name": "Job 27:3", "text": "Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 4, "chapter": 27, "name": "Job 27:4", "text": "Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako. " }, { "verse": 5, "chapter": 27, "name": "Job 27:5", "text": "Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan\u2019 ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho. " }, { "verse": 6, "chapter": 27, "name": "Job 27:6", "text": "Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin\u2019 ny androko iray monja aza. " }, { "verse": 7, "chapter": 27, "name": "Job 27:7", "text": "Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 27, "name": "Job 27:8", "text": "Fa inona no fanantenan\u2019 ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan\u2019 Andriamanitra ny fanahiny? " }, { "verse": 9, "chapter": 27, "name": "Job 27:9", "text": "Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy? " }, { "verse": 10, "chapter": 27, "name": "Job 27:10", "text": "Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an\u2019 Andriamanitra mandrakariva va izy? " }, { "verse": 11, "chapter": 27, "name": "Job 27:11", "text": "Hampianatra anareo ny amin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin\u2019 ny hevitry ny Tsitoha. " }, { "verse": 12, "chapter": 27, "name": "Job 27:12", "text": "Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana? " }, { "verse": 13, "chapter": 27, "name": "Job 27:13", "text": "Izao no anjaran\u2019 ny ratsy fanahy avy amin\u2019 Andriamanitra, sy lovan\u2019 ny lozabe raisiny avy amin\u2019 ny Tsitoha: " }, { "verse": 14, "chapter": 27, "name": "Job 27:14", "text": "Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an\u2019 ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina; " }, { "verse": 15, "chapter": 27, "name": "Job 27:15", "text": "Ny ankohonany sisa dia hasitrik\u2019 Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany; " }, { "verse": 16, "chapter": 27, "name": "Job 27:16", "text": "Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka, " }, { "verse": 17, "chapter": 27, "name": "Job 27:17", "text": "Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy; " }, { "verse": 18, "chapter": 27, "name": "Job 27:18", "text": "Manao ny tranony tahaka ny an\u2019 ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon\u2019 ny mpiandry voly; " }, { "verse": 19, "chapter": 27, "name": "Job 27:19", "text": "Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny. " }, { "verse": 20, "chapter": 27, "name": "Job 27:20", "text": "Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin\u2019 ny tafio-drivotra izy; " }, { "verse": 21, "chapter": 27, "name": "Job 27:21", "text": "Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin\u2019 ny fitoerany; " }, { "verse": 22, "chapter": 27, "name": "Job 27:22", "text": "Asian\u2019 Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin\u2019 ny t\u00e0nany izy; " }, { "verse": 23, "chapter": 27, "name": "Job 27:23", "text": "Tehafin\u2019 ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin\u2019 ny fonenany. " } ] }, { "chapter": 28, "name": "Job 28", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 28, "name": "Job 28:1", "text": "Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina. " }, { "verse": 2, "chapter": 28, "name": "Job 28:2", "text": "Ny vy dia alaina avy amin\u2019 ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin\u2019 ny vato. " }, { "verse": 3, "chapter": 28, "name": "Job 28:3", "text": "Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton\u2019 ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana; " }, { "verse": 4, "chapter": 28, "name": "Job 28:4", "text": "Mihady lavaka mihalavitra amin\u2019 izay itoeran\u2019 olona izy ka tsy ampoizin\u2019 ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 28, "name": "Job 28:5", "text": "Ny tany no ihavian\u2019 ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo. " }, { "verse": 6, "chapter": 28, "name": "Job 28:6", "text": "Fitoeran\u2019 ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy " }, { "verse": 7, "chapter": 28, "name": "Job 28:7", "text": "L\u00e0lana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan\u2019 ny mason\u2019 ny voromahery, " }, { "verse": 8, "chapter": 28, "name": "Job 28:8", "text": "Sady tsy nodiavin\u2019 ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan\u2019 ny liona masiaka. " }, { "verse": 9, "chapter": 28, "name": "Job 28:9", "text": "Maninjitra ny t\u00e0nany amin\u2019 ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin\u2019 ny fotony; " }, { "verse": 10, "chapter": 28, "name": "Job 28:10", "text": "Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan\u2019 ny masony avokoa. " }, { "verse": 11, "chapter": 28, "name": "Job 28:11", "text": "Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin\u2019 ny mazava. " }, { "verse": 12, "chapter": 28, "name": "Job 28:12", "text": "Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran\u2019 ny fahalalana? " }, { "verse": 13, "chapter": 28, "name": "Job 28:13", "text": "Tsy misy zanak\u2019 olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin\u2019 ny tanin\u2019 ny velona izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 28, "name": "Job 28:14", "text": "Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina. " }, { "verse": 15, "chapter": 28, "name": "Job 28:15", "text": "Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny; " }, { "verse": 16, "chapter": 28, "name": "Job 28:16", "text": "Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza. " }, { "verse": 17, "chapter": 28, "name": "Job 28:17", "text": "Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 28, "name": "Job 28:18", "text": "Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy. " }, { "verse": 19, "chapter": 28, "name": "Job 28:19", "text": "Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara " }, { "verse": 20, "chapter": 28, "name": "Job 28:20", "text": "Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran\u2019 ny fahalalana? " }, { "verse": 21, "chapter": 28, "name": "Job 28:21", "text": "Miafina amin\u2019 ny mason\u2019 ny velona rehetra izany ary takona amin\u2019 ny voro-manidina. " }, { "verse": 22, "chapter": 28, "name": "Job 28:22", "text": "Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy. " }, { "verse": 23, "chapter": 28, "name": "Job 28:23", "text": "Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany; " }, { "verse": 24, "chapter": 28, "name": "Job 28:24", "text": "Fa Izy no mitsinjo hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin\u2019 ny lanitra rehetra izao, " }, { "verse": 25, "chapter": 28, "name": "Job 28:25", "text": "Ka manendry ny lanjan\u2019 ny rivotra ary mamatra ny rano amin\u2019 ny famarana. " }, { "verse": 26, "chapter": 28, "name": "Job 28:26", "text": "Raha nanao lalana ho an\u2019 ny ranonorana Izy sy lalana halehan\u2019 ny helatry ny kotrokorana, " }, { "verse": 27, "chapter": 28, "name": "Job 28:27", "text": "Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy; " }, { "verse": 28, "chapter": 28, "name": "Job 28:28", "text": "Dia hoy Izy tamin\u2019 ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fial\u00e0na amin\u2019 ny ratsy no fahalalana. " } ] }, { "chapter": 29, "name": "Job 29", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 29, "name": "Job 29:1", "text": "Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 29, "name": "Job 29:2", "text": "Enga anie ka ho tahaka ny tamin\u2019 ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin\u2019 ny andro niarovan\u2019 Andriamanitra ahy! " }, { "verse": 3, "chapter": 29, "name": "Job 29:3", "text": "Fony mbola nazava teo ambonin\u2019 ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin\u2019 ny maizina; " }, { "verse": 4, "chapter": 29, "name": "Job 29:4", "text": "Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin\u2019 ny laiko ny fisakaizan\u2019 Andriamanitra; " }, { "verse": 5, "chapter": 29, "name": "Job 29:5", "text": "Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako; " }, { "verse": 6, "chapter": 29, "name": "Job 29:6", "text": "Fony mbola nanasa ny tongotro tamin\u2019 ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko; " }, { "verse": 7, "chapter": 29, "name": "Job 29:7", "text": "Raha niainga niakatra ho eo amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny tan\u00e0na aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana, " }, { "verse": 8, "chapter": 29, "name": "Job 29:8", "text": "Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro; " }, { "verse": 9, "chapter": 29, "name": "Job 29:9", "text": "Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava; " }, { "verse": 10, "chapter": 29, "name": "Job 29:10", "text": "Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin\u2019 ny lanilaniny. " }, { "verse": 11, "chapter": 29, "name": "Job 29:11", "text": "Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy, " }, { "verse": 12, "chapter": 29, "name": "Job 29:12", "text": "Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy. " }, { "verse": 13, "chapter": 29, "name": "Job 29:13", "text": "Ny fisaoran\u2019 izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon\u2019 ny mpitondratena nampifaliko. " }, { "verse": 14, "chapter": 29, "name": "Job 29:14", "text": "Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako. " }, { "verse": 15, "chapter": 29, "name": "Job 29:15", "text": "Efa maso ho an\u2019 ny jamba aho ary tongotra ho an\u2019 ny mandringa. " }, { "verse": 16, "chapter": 29, "name": "Job 29:16", "text": "Efa ray ho an\u2019 ny malahelo aho, ary ny adin\u2019 ny olona tsy fantatro aza nodinihiko. " }, { "verse": 17, "chapter": 29, "name": "Job 29:17", "text": "Namaky ny nifin\u2019 ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany " }, { "verse": 18, "chapter": 29, "name": "Job 29:18", "text": "Dia hoy izaho: Eo amin\u2019 ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho. " }, { "verse": 19, "chapter": 29, "name": "Job 29:19", "text": "Ny fakako ho azon\u2019 ny rano, ary ny ando hitoetra amin\u2019 ny sampako mandritra ny alina. " }, { "verse": 20, "chapter": 29, "name": "Job 29:20", "text": "Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako. " }, { "verse": 21, "chapter": 29, "name": "Job 29:21", "text": "Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin\u2019 ny fanolorako saina izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 29, "name": "Job 29:22", "text": "Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan\u2019 ny teniko izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 29, "name": "Job 29:23", "text": "Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana. " }, { "verse": 24, "chapter": 29, "name": "Job 29:24", "text": "Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan\u2019 ny tavako ireo. " }, { "verse": 25, "chapter": 29, "name": "Job 29:25", "text": "Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin\u2019 ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho. " } ] }, { "chapter": 30, "name": "Job 30", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 30, "name": "Job 30:1", "text": "Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak\u2019 ireo izay nolaviko tsy ho isan\u2019 ny amboa miandry ny ondriko akory aza. " }, { "verse": 2, "chapter": 30, "name": "Job 30:2", "text": "Eny, mampaninona ahy ny herin\u2019 ny t\u00e0nan\u2019 ireo. Izay efa very fahatanjahana? " }, { "verse": 3, "chapter": 30, "name": "Job 30:3", "text": "Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana. " }, { "verse": 4, "chapter": 30, "name": "Job 30:4", "text": "Mitsongo anambodihena eo amin\u2019 ny kirihitrala izy, ary ny fakan\u2019 ny anjavidy no fihinany. " }, { "verse": 5, "chapter": 30, "name": "Job 30:5", "text": "Roahina tsy ho eo amin\u2019 ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra. " }, { "verse": 6, "chapter": 30, "name": "Job 30:6", "text": "Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato. " }, { "verse": 7, "chapter": 30, "name": "Job 30:7", "text": "Minananana eny amin\u2019 ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin\u2019 ny amiana. " }, { "verse": 8, "chapter": 30, "name": "Job 30:8", "text": "Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin\u2019 ny tany. " }, { "verse": 9, "chapter": 30, "name": "Job 30:9", "text": "Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho. " }, { "verse": 10, "chapter": 30, "name": "Job 30:10", "text": "Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 30, "name": "Job 30:11", "text": "Fa noketrahin\u2019 Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin\u2019 iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny. " }, { "verse": 12, "chapter": 30, "name": "Job 30:12", "text": "Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko. " }, { "verse": 13, "chapter": 30, "name": "Job 30:13", "text": "Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy, " }, { "verse": 14, "chapter": 30, "name": "Job 30:14", "text": "Toy ny fiditra eo amin\u2019 ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin\u2019 ny voarava no imaonany. " }, { "verse": 15, "chapter": 30, "name": "Job 30:15", "text": "Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy " }, { "verse": 16, "chapter": 30, "name": "Job 30:16", "text": "Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenj\u00e0n\u2019 ny andro fahoriana aho. " }, { "verse": 17, "chapter": 30, "name": "Job 30:17", "text": "Ny alina mampahal\u00f2 ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo. " }, { "verse": 18, "chapter": 30, "name": "Job 30:18", "text": "Noho ny haben\u2019 ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 30, "name": "Job 30:19", "text": "Eny, nanary ahy teo amin\u2019 ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho " }, { "verse": 20, "chapter": 30, "name": "Job 30:20", "text": "Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana. " }, { "verse": 21, "chapter": 30, "name": "Job 30:21", "text": "Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin\u2019 ny tananao no andrafianao ahy. " }, { "verse": 22, "chapter": 30, "name": "Job 30:22", "text": "Aingainao ho eny amin\u2019 ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin\u2019 ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho. " }, { "verse": 23, "chapter": 30, "name": "Job 30:23", "text": "Fa fantatro fa hampodinao any amin\u2019 ny fahafatesana aho, dia any amin\u2019 ny trano fivorian\u2019 ny olombelona rehetra. " }, { "verse": 24, "chapter": 30, "name": "Job 30:24", "text": "Kanefa tsy manainga ny t\u00e0nany va ny olona, raha ianjeran\u2019 ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? " }, { "verse": 25, "chapter": 30, "name": "Job 30:25", "text": "Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko? " }, { "verse": 26, "chapter": 30, "name": "Job 30:26", "text": "Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina. " }, { "verse": 27, "chapter": 30, "name": "Job 30:27", "text": "Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana. " }, { "verse": 28, "chapter": 30, "name": "Job 30:28", "text": "Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian\u2019 ny olona. " }, { "verse": 29, "chapter": 30, "name": "Job 30:29", "text": "Rahalahin\u2019 ny amboadia aho Ary naman\u2019 ny ostritsa. " }, { "verse": 30, "chapter": 30, "name": "Job 30:30", "text": "Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako. " }, { "verse": 31, "chapter": 30, "name": "Job 30:31", "text": "Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon\u2019 ny mitomany ny sodiko. " } ] }, { "chapter": 31, "name": "Job 31", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 31, "name": "Job 31:1", "text": "Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? " }, { "verse": 2, "chapter": 31, "name": "Job 31:2", "text": "Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin\u2019 Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin\u2019 ny Tsitoha any amin\u2019 ny avo? " }, { "verse": 3, "chapter": 31, "name": "Job 31:3", "text": "Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy? " }, { "verse": 4, "chapter": 31, "name": "Job 31:4", "text": "Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? " }, { "verse": 5, "chapter": 31, "name": "Job 31:5", "text": "Raha t\u00e0hiny nandeha tamin\u2019 ny fitaka aho na niezaka tamin\u2019 ny fahafetsena. " }, { "verse": 6, "chapter": 31, "name": "Job 31:6", "text": "(Enga anie ka holanjain\u2019 Andriamanitra eo amin\u2019 ny mizanan\u2019 ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny); " }, { "verse": 7, "chapter": 31, "name": "Job 31:7", "text": "Raha t\u00e0hiny nivily niala tamin\u2019 ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin\u2019 ny tanako: " }, { "verse": 8, "chapter": 31, "name": "Job 31:8", "text": "Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko. " }, { "verse": 9, "chapter": 31, "name": "Job 31:9", "text": "Raha tah\u00ecny adala tamin\u2019 ny vadin\u2019 olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran\u2019 ny namako aho, " }, { "verse": 10, "chapter": 31, "name": "Job 31:10", "text": "Dia aoka kosa ny vadiko halain\u2019 ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy. " }, { "verse": 11, "chapter": 31, "name": "Job 31:11", "text": "Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain\u2019 ny mpitsara; " }, { "verse": 12, "chapter": 31, "name": "Job 31:12", "text": "Fa afo mandevona hatrany amin\u2019 ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra. " }, { "verse": 13, "chapter": 31, "name": "Job 31:13", "text": "Raha t\u00e0hiny aho nand\u00e0 ny rariny izay an\u2019 ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy, " }, { "verse": 14, "chapter": 31, "name": "Job 31:14", "text": "Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy? " }, { "verse": 15, "chapter": 31, "name": "Job 31:15", "text": "Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka? " }, { "verse": 16, "chapter": 31, "name": "Job 31:16", "text": "Raha t\u00e0hiny aho nand\u00e0 Izay nirin\u2019 ny malahelo ka nahapahina ny mason\u2019 ny mpitondratena, " }, { "verse": 17, "chapter": 31, "name": "Job 31:17", "text": "Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan\u2019 ny kamboty " }, { "verse": 18, "chapter": 31, "name": "Job 31:18", "text": "(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho); " }, { "verse": 19, "chapter": 31, "name": "Job 31:19", "text": "Raha t\u00e0hiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy, " }, { "verse": 20, "chapter": 31, "name": "Job 31:20", "text": "Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanaf\u00e0na azy ny volon\u2019 ondriko; " }, { "verse": 21, "chapter": 31, "name": "Job 31:21", "text": "Raha tah\u00ecny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady: " }, { "verse": 22, "chapter": 31, "name": "Job 31:22", "text": "Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin\u2019 ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin\u2019 ny taolam-panaviko. " }, { "verse": 23, "chapter": 31, "name": "Job 31:23", "text": "Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin\u2019 Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany. " }, { "verse": 24, "chapter": 31, "name": "Job 31:24", "text": "Raha t\u00e0hiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko \u00f4; " }, { "verse": 25, "chapter": 31, "name": "Job 31:25", "text": "Raha t\u00e0hiny ho nifaly noho ny haben\u2019 ny fananako sy noho ny nahazoan\u2019 ny tanako harena betsaka; " }, { "verse": 26, "chapter": 31, "name": "Job 31:26", "text": "Raha t\u00e0hiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin\u2019 ny fangarangarany izy, " }, { "verse": 27, "chapter": 31, "name": "Job 31:27", "text": "Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako " }, { "verse": 28, "chapter": 31, "name": "Job 31:28", "text": "(Dia heloka hanamelohan\u2019 ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin\u2019 Andriamanitra Izay any ambony aho); " }, { "verse": 29, "chapter": 31, "name": "Job 31:29", "text": "Raha t\u00e0hiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy " }, { "verse": 30, "chapter": 31, "name": "Job 31:30", "text": "(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy); " }, { "verse": 31, "chapter": 31, "name": "Job 31:31", "text": "Raha t\u00e0hiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin\u2019 ny henany? " }, { "verse": 32, "chapter": 31, "name": "Job 31:32", "text": "Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana; " }, { "verse": 33, "chapter": 31, "name": "Job 31:33", "text": "Raha t\u00e0hiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an\u2019 i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako, " }, { "verse": 34, "chapter": 31, "name": "Job 31:34", "text": "Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin\u2019 ny fokon\u2019 olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana " }, { "verse": 35, "chapter": 31, "name": "Job 31:35", "text": "Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr\u2019 ilay manana ady amiko! " }, { "verse": 36, "chapter": 31, "name": "Job 31:36", "text": "Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra. " }, { "verse": 37, "chapter": 31, "name": "Job 31:37", "text": "Ny isan\u2019 ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon\u2019 ny zanak\u2019 andriana no hanatonako Azy. " }, { "verse": 38, "chapter": 31, "name": "Job 31:38", "text": "Raha t\u00e0hiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako; " }, { "verse": 39, "chapter": 31, "name": "Job 31:39", "text": "Raha t\u00e0hiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain\u2019 ny tompony: " }, { "verse": 40, "chapter": 31, "name": "Job 31:40", "text": "Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin\u2019 i Joba. " } ] }, { "chapter": 32, "name": "Job 32", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 32, "name": "Job 32:1", "text": " Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba. " }, { "verse": 2, "chapter": 32, "name": "Job 32:2", "text": "Ary nirehitra kosa ny fahatezeran\u2019 i Eliho, zanak\u2019 i Barakela, Bozita, avy amin\u2019 ny fokon\u2019 i Rama; eny, tamin\u2019 i Joba no nirehetan\u2019 ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy. " }, { "verse": 3, "chapter": 32, "name": "Job 32:3", "text": "Ary tamin\u2019 ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan\u2019 ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an\u2019 i Joba. " }, { "verse": 4, "chapter": 32, "name": "Job 32:4", "text": "Ary Eliho mbola niandry an-dr\u2019 i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 32, "name": "Job 32:5", "text": "Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany; " }, { "verse": 6, "chapter": 32, "name": "Job 32:6", "text": "ka dia niteny Eliho, zanak\u2019 i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro. " }, { "verse": 7, "chapter": 32, "name": "Job 32:7", "text": "Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan\u2019 ny taona no hampianatra fahendrena. " }, { "verse": 8, "chapter": 32, "name": "Job 32:8", "text": "Kanefa ny fanahy izay ao anatin\u2019 ny zanak\u2019 olombelona sy ny fofonoin\u2019 ny Tsitoha no mahahendry azy. " }, { "verse": 9, "chapter": 32, "name": "Job 32:9", "text": "Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny; " }, { "verse": 10, "chapter": 32, "name": "Job 32:10", "text": "Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro. " }, { "verse": 11, "chapter": 32, "name": "Job 32:11", "text": "Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina; " }, { "verse": 12, "chapter": 32, "name": "Job 32:12", "text": "Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an\u2019 i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory; " }, { "verse": 13, "chapter": 32, "name": "Job 32:13", "text": "Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona. " }, { "verse": 14, "chapter": 32, "name": "Job 32:14", "text": "Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy. " }, { "verse": 15, "chapter": 32, "name": "Job 32:15", "text": "Very hevitra ter\u1ef3 izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny. " }, { "verse": 16, "chapter": 32, "name": "Job 32:16", "text": "Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony? " }, { "verse": 17, "chapter": 32, "name": "Job 32:17", "text": "Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro; " }, { "verse": 18, "chapter": 32, "name": "Job 32:18", "text": "Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko. " }, { "verse": 19, "chapter": 32, "name": "Job 32:19", "text": "Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy. " }, { "verse": 20, "chapter": 32, "name": "Job 32:20", "text": "Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly. " }, { "verse": 21, "chapter": 32, "name": "Job 32:21", "text": "Aoka tsy hizaha tavan\u2019 olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona. " }, { "verse": 22, "chapter": 32, "name": "Job 32:22", "text": "Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain\u2019 ny Mpanao ahy faingana aho. " } ] }, { "chapter": 33, "name": "Job 33", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 33, "name": "Job 33:1", "text": "Kanefa, mas\u00ecna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. " }, { "verse": 2, "chapter": 33, "name": "Job 33:2", "text": "Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako. " }, { "verse": 3, "chapter": 33, "name": "Job 33:3", "text": "Ny hitsim-poko no hiseho amin\u2019 ny teniko; Ary ny fahalalan\u2019 ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. " }, { "verse": 4, "chapter": 33, "name": "Job 33:4", "text": "Ny Fanahin\u2019 Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain\u2019 ny Tsitoha no mamelona ahy. " }, { "verse": 5, "chapter": 33, "name": "Job 33:5", "text": "Raha hainao, valio ary aho, miom\u00e0na ianao, ka miatreha tsara. " }, { "verse": 6, "chapter": 33, "name": "Job 33:6", "text": "Indro, izaho koa mba an\u2019 Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin\u2019 ny tanimanga. " }, { "verse": 7, "chapter": 33, "name": "Job 33:7", "text": "Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao. " }, { "verse": 8, "chapter": 33, "name": "Job 33:8", "text": "Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon\u2019 ny teninao hoe: " }, { "verse": 9, "chapter": 33, "name": "Job 33:9", "text": "Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka; " }, { "verse": 10, "chapter": 33, "name": "Job 33:10", "text": "He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho; " }, { "verse": 11, "chapter": 33, "name": "Job 33:11", "text": "Mampiditra ny tongotro eo amin\u2019 ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra. " }, { "verse": 12, "chapter": 33, "name": "Job 33:12", "text": "He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon\u2019 ny zanak\u2019 olombelona. " }, { "verse": 13, "chapter": 33, "name": "Job 33:13", "text": "Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin\u2019 ny ataony? " }, { "verse": 14, "chapter": 33, "name": "Job 33:14", "text": "Kanefa misy fanao iray itenenan\u2019 Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman\u2019 ny olona izany, " }, { "verse": 15, "chapter": 33, "name": "Job 33:15", "text": "Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin\u2019 ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, " }, { "verse": 16, "chapter": 33, "name": "Job 33:16", "text": "Dia manokatra ny sofin\u2019 ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy, " }, { "verse": 17, "chapter": 33, "name": "Job 33:17", "text": "Mba hampiala ny olona amin\u2019 ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana. " }, { "verse": 18, "chapter": 33, "name": "Job 33:18", "text": "Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan\u2019 ny fiadiana. " }, { "verse": 19, "chapter": 33, "name": "Job 33:19", "text": "Anarina amin\u2019 ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin\u2019 ny fikotrankotran\u2019 ny taolany lalandava; " }, { "verse": 20, "chapter": 33, "name": "Job 33:20", "text": "Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian\u2019 ny fanahiny. " }, { "verse": 21, "chapter": 33, "name": "Job 33:21", "text": "Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo; " }, { "verse": 22, "chapter": 33, "name": "Job 33:22", "text": "Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina. " }, { "verse": 23, "chapter": 33, "name": "Job 33:23", "text": "Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin\u2019 ny arivo, hanoro izay tokony halehan\u2019 ny olona, " }, { "verse": 24, "chapter": 33, "name": "Job 33:24", "text": "Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, " }, { "verse": 25, "chapter": 33, "name": "Job 33:25", "text": "Dia ho tsara noho ny an\u2019 ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin\u2019 ny andro nahatanorany izy; " }, { "verse": 26, "chapter": 33, "name": "Job 33:26", "text": "Hivavaka amin\u2019 Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin\u2019 ny hafaliana, fa hampodiny amin\u2019 ny zanak\u2019 olombelona ny fahamarinany. " }, { "verse": 27, "chapter": 33, "name": "Job 33:27", "text": "Dia hihira izy hilaza amin\u2019 ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko; " }, { "verse": 28, "chapter": 33, "name": "Job 33:28", "text": "Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin\u2019 ny fahitana ny mazava. " }, { "verse": 29, "chapter": 33, "name": "Job 33:29", "text": "Indro, izany rehetra izany no ataon\u2019 Andriamanitra indroa amin\u2019 ny olona, eny, intelo aza, " }, { "verse": 30, "chapter": 33, "name": "Job 33:30", "text": "Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin\u2019 ny fahazavan\u2019 aina. " }, { "verse": 31, "chapter": 33, "name": "Job 33:31", "text": "Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mang\u00ecna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny. " }, { "verse": 32, "chapter": 33, "name": "Job 33:32", "text": "Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho; " }, { "verse": 33, "chapter": 33, "name": "Job 33:33", "text": "Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mang\u00ecna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao. " } ] }, { "chapter": 34, "name": "Job 34", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 34, "name": "Job 34:1", "text": "Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 34, "name": "Job 34:2", "text": "Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. " }, { "verse": 3, "chapter": 34, "name": "Job 34:3", "text": "Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina. " }, { "verse": 4, "chapter": 34, "name": "Job 34:4", "text": "Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika. " }, { "verse": 5, "chapter": 34, "name": "Job 34:5", "text": "Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin\u2019 Andriamanitra tamiko ny rariny; " }, { "verse": 6, "chapter": 34, "name": "Job 34:6", "text": "Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsip\u00ecka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho. " }, { "verse": 7, "chapter": 34, "name": "Job 34:7", "text": "Aiza moa no misy lehilahy tahaka an\u2019 i Joba, izay manaram-po amin\u2019 ny famingavingana toy ny fisotro rano. " }, { "verse": 8, "chapter": 34, "name": "Job 34:8", "text": "Ary tonga naman\u2019 ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin\u2019 ny ratsy fanahy? " }, { "verse": 9, "chapter": 34, "name": "Job 34:9", "text": "Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 10, "chapter": 34, "name": "Job 34:10", "text": "Koa amin\u2019 izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an\u2019 Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! " }, { "verse": 11, "chapter": 34, "name": "Job 34:11", "text": "Fa ny nataon\u2019 ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy. " }, { "verse": 12, "chapter": 34, "name": "Job 34:12", "text": "Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny. " }, { "verse": 13, "chapter": 34, "name": "Job 34:13", "text": "Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao? " }, { "verse": 14, "chapter": 34, "name": "Job 34:14", "text": "Raha t\u00e0hiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy, " }, { "verse": 15, "chapter": 34, "name": "Job 34:15", "text": "Dia hiala avokoa ny ain\u2019 ny nofo rehetra, ary hiverina amin\u2019 ny vovoka ny olona. " }, { "verse": 16, "chapter": 34, "name": "Job 34:16", "text": "Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko " }, { "verse": 17, "chapter": 34, "name": "Job 34:17", "text": "Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao? " }, { "verse": 18, "chapter": 34, "name": "Job 34:18", "text": "(Mety va ny miteny amin\u2019 ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin\u2019 ny zanak\u2019 andriana: Ry ilay ratsy!), " }, { "verse": 19, "chapter": 34, "name": "Job 34:19", "text": "Dia Ilay tsy mizaha ny tavan\u2019 ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan\u2019 ny t\u00e0nany avokoa izy rehetra. " }, { "verse": 20, "chapter": 34, "name": "Job 34:20", "text": "Maty amin\u2019 ny indray mipi-maso monja amin\u2019 ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana. " }, { "verse": 21, "chapter": 34, "name": "Job 34:21", "text": "Fa ny mason\u2019 Andriamanitra dia mijery ny alehan\u2019 ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 34, "name": "Job 34:22", "text": "Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren\u2019 ny mpanao ratsy. " }, { "verse": 23, "chapter": 34, "name": "Job 34:23", "text": "Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany. " }, { "verse": 24, "chapter": 34, "name": "Job 34:24", "text": "Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy. " }, { "verse": 25, "chapter": 34, "name": "Job 34:25", "text": "Koa hita amin\u2019 izany fa fantany ny asan\u2019 ireo, ka dia mamono azy amin\u2019 ny alina ho torotoro Izy. " }, { "verse": 26, "chapter": 34, "name": "Job 34:26", "text": "Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin\u2019 ny ratsy fanahy ireo eo imason\u2019 ny vahoaka. " }, { "verse": 27, "chapter": 34, "name": "Job 34:27", "text": "Izao no nialan\u2019 ireo tamin\u2019 Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory, " }, { "verse": 28, "chapter": 34, "name": "Job 34:28", "text": "Dia ny mba hahatonga ny fitarainan\u2019 ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan\u2019 ny ory. " }, { "verse": 29, "chapter": 34, "name": "Job 34:29", "text": "Mang\u00ecna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin\u2019 ny firenena, na amin\u2019 ny olona tsirairay, " }, { "verse": 30, "chapter": 34, "name": "Job 34:30", "text": "Mba tsy hanjakan\u2019 ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka. " }, { "verse": 31, "chapter": 34, "name": "Job 34:31", "text": "Fa moa mba efa nisy niteny tamin\u2019 Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony; " }, { "verse": 32, "chapter": 34, "name": "Job 34:32", "text": "Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony? " }, { "verse": 33, "chapter": 34, "name": "Job 34:33", "text": "Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon\u2019 ny olona, no efa nand\u00e0 ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao. " }, { "verse": 34, "chapter": 34, "name": "Job 34:34", "text": "Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe: " }, { "verse": 35, "chapter": 34, "name": "Job 34:35", "text": "Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena. " }, { "verse": 36, "chapter": 34, "name": "Job 34:36", "text": "Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon\u2019 ny ratsy fanahy! " }, { "verse": 37, "chapter": 34, "name": "Job 34:37", "text": "Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin\u2019 Andriamanitra. " } ] }, { "chapter": 35, "name": "Job 35", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 35, "name": "Job 35:1", "text": "Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 35, "name": "Job 35:2", "text": "Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an\u2019 Andriamanitra? " }, { "verse": 3, "chapter": 35, "name": "Job 35:3", "text": "Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin\u2019 ny fahotako? " }, { "verse": 4, "chapter": 35, "name": "Job 35:4", "text": "Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin\u2019 ny namanao. " }, { "verse": 5, "chapter": 35, "name": "Job 35:5", "text": "Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao. " }, { "verse": 6, "chapter": 35, "name": "Job 35:6", "text": "Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany? " }, { "verse": 7, "chapter": 35, "name": "Job 35:7", "text": "Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin\u2019 ny tananao? " }, { "verse": 8, "chapter": 35, "name": "Job 35:8", "text": "Mihatra amin\u2019 ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin\u2019 ny olombelona ihany ny fahamarinanao. " }, { "verse": 9, "chapter": 35, "name": "Job 35:9", "text": "Noho ny habiazan\u2019 ny fampahoriana no itarainan\u2019 ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin\u2019 ny mahery, " }, { "verse": 10, "chapter": 35, "name": "Job 35:10", "text": "Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin\u2019 ny alina, " }, { "verse": 11, "chapter": 35, "name": "Job 35:11", "text": "Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an\u2019 ny biby ambonin\u2019 ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an\u2019 ny voro-manidina? " }, { "verse": 12, "chapter": 35, "name": "Job 35:12", "text": "Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan\u2019 ny ratsy fanahy. " }, { "verse": 13, "chapter": 35, "name": "Job 35:13", "text": "Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin\u2019 Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany. " }, { "verse": 14, "chapter": 35, "name": "Job 35:14", "text": "Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao. " }, { "verse": 15, "chapter": 35, "name": "Job 35:15", "text": "Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana? " }, { "verse": 16, "chapter": 35, "name": "Job 35:16", "text": "Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana. " } ] }, { "chapter": 36, "name": "Job 36", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 36, "name": "Job 36:1", "text": "Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 36, "name": "Job 36:2", "text": "Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 3, "chapter": 36, "name": "Job 36:3", "text": "Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho. " }, { "verse": 4, "chapter": 36, "name": "Job 36:4", "text": "Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin\u2019 ny fahalalana no eto aminao. " }, { "verse": 5, "chapter": 36, "name": "Job 36:5", "text": "Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin\u2019 ny herin\u2019 ny fahalalana Izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 36, "name": "Job 36:6", "text": "Tsy mitsimbina ny ain\u2019 ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an\u2019 ny ory. " }, { "verse": 7, "chapter": 36, "name": "Job 36:7", "text": "Tsy mampiala ny masony amin\u2019 ny marina Izy; Eo amin\u2019 ny mpanjaka ambonin\u2019 ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra. " }, { "verse": 8, "chapter": 36, "name": "Job 36:8", "text": "Ary raha voafatotra amin\u2019 ny gadra izy sy voafehy amin\u2019 ny tadin\u2019 ny fahoriana. " }, { "verse": 9, "chapter": 36, "name": "Job 36:9", "text": "Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny. " }, { "verse": 10, "chapter": 36, "name": "Job 36:10", "text": "Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin\u2019 ny ratsy. " }, { "verse": 11, "chapter": 36, "name": "Job 36:11", "text": "Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin\u2019 ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin\u2019 ny fahafinaretana " }, { "verse": 12, "chapter": 36, "name": "Job 36:12", "text": "Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan\u2019 ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana. " }, { "verse": 13, "chapter": 36, "name": "Job 36:13", "text": "Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; " }, { "verse": 14, "chapter": 36, "name": "Job 36:14", "text": "Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin\u2019 ny olom-betaveta, " }, { "verse": 15, "chapter": 36, "name": "Job 36:15", "text": "Fa ny fahorian\u2019 ny ory kosa no entin\u2019 Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny. " }, { "verse": 16, "chapter": 36, "name": "Job 36:16", "text": "Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin\u2019 ny fahaterena ho amin\u2019 ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin\u2019 ny latabatrao. " }, { "verse": 17, "chapter": 36, "name": "Job 36:17", "text": "Nefa raha fatra-pikikitra amin\u2019 ny adin\u2019 ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana; " }, { "verse": 18, "chapter": 36, "name": "Job 36:18", "text": "Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben\u2019 ny avotra. " }, { "verse": 19, "chapter": 36, "name": "Job 36:19", "text": "Moa hahatonga anao ho ao amin\u2019 izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana? " }, { "verse": 20, "chapter": 36, "name": "Job 36:20", "text": "Aza irinao ny hihavian\u2019 ny alina, izay ampialana ny olona amin\u2019 ny fitoerany. " }, { "verse": 21, "chapter": 36, "name": "Job 36:21", "text": "Tandremo, aza mivily ho amin\u2019 ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 36, "name": "Job 36:22", "text": "Indro, Andriamanitra miasa amin\u2019 ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy? " }, { "verse": 23, "chapter": 36, "name": "Job 36:23", "text": "Iza no efa nandidy Azy ny amin\u2019 izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao? " }, { "verse": 24, "chapter": 36, "name": "Job 36:24", "text": "Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon\u2019 ny olona an-kira. " }, { "verse": 25, "chapter": 36, "name": "Job 36:25", "text": "Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren\u2019 ny zanak\u2019 olombelona eny lavitra eny izany. " }, { "verse": 26, "chapter": 36, "name": "Job 36:26", "text": "Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany. " }, { "verse": 27, "chapter": 36, "name": "Job 36:27", "text": "Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany, " }, { "verse": 28, "chapter": 36, "name": "Job 36:28", "text": "Izay aidin\u2019 ny rahona ka alatsany amin\u2019 ny olona maro be. " }, { "verse": 29, "chapter": 36, "name": "Job 36:29", "text": "Ary koa, iza moa no mahalala ny amin\u2019 ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy? " }, { "verse": 30, "chapter": 36, "name": "Job 36:30", "text": "Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin\u2019 ny ranomasina ho firakofany. " }, { "verse": 31, "chapter": 36, "name": "Job 36:31", "text": "Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka. " }, { "verse": 32, "chapter": 36, "name": "Job 36:32", "text": "Mifono fahazavana ny t\u00e0nany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony; " }, { "verse": 33, "chapter": 36, "name": "Job 36:33", "text": "Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman\u2019 ondry koa aza milaza ny hihaviany. " } ] }, { "chapter": 37, "name": "Job 37", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 37, "name": "Job 37:1", "text": "Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin\u2019 ny fitoerany. " }, { "verse": 2, "chapter": 37, "name": "Job 37:2", "text": "Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin\u2019 ny vavany. " }, { "verse": 3, "chapter": 37, "name": "Job 37:3", "text": "Mandefa izany ho eny ambanin\u2019 ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin\u2019 ny faran\u2019 ny tany. " }, { "verse": 4, "chapter": 37, "name": "Job 37:4", "text": "Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon\u2019 ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra. " }, { "verse": 5, "chapter": 37, "name": "Job 37:5", "text": "Mahagaga ny fikotrokotrok\u2019 Andriamanitra amin\u2019 ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 37, "name": "Job 37:6", "text": "Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin\u2019 ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy. " }, { "verse": 7, "chapter": 37, "name": "Job 37:7", "text": "Mampiohona ny tanan\u2019 ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony; " }, { "verse": 8, "chapter": 37, "name": "Job 37:8", "text": "Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany. " }, { "verse": 9, "chapter": 37, "name": "Job 37:9", "text": "Avy any atsimo ny tadio, ary entin\u2019 ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka. " }, { "verse": 10, "chapter": 37, "name": "Job 37:10", "text": "Ny fofonain\u2019 Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka. " }, { "verse": 11, "chapter": 37, "name": "Job 37:11", "text": "Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon\u2019 ny helatra dia ampieleziny; " }, { "verse": 12, "chapter": 37, "name": "Job 37:12", "text": "Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin\u2019 ny tany eran\u2019 izao tontolo izao, " }, { "verse": 13, "chapter": 37, "name": "Job 37:13", "text": "Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an\u2019 ny taniny izany na ho famindram-po kosa. " }, { "verse": 14, "chapter": 37, "name": "Job 37:14", "text": "Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 15, "chapter": 37, "name": "Job 37:15", "text": "Fantatrao va ny fanamboaran\u2019 Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? " }, { "verse": 16, "chapter": 37, "name": "Job 37:16", "text": "Fantatrao va ny fihevahevan\u2019 ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon\u2019 Ilay tanteraka amin\u2019 ny fahalalana? " }, { "verse": 17, "chapter": 37, "name": "Job 37:17", "text": "Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon\u2019 ny rivotra avy any atsimo, " }, { "verse": 18, "chapter": 37, "name": "Job 37:18", "text": "Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina? " }, { "verse": 19, "chapter": 37, "name": "Job 37:19", "text": "Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina, " }, { "verse": 20, "chapter": 37, "name": "Job 37:20", "text": "Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va? " }, { "verse": 21, "chapter": 37, "name": "Job 37:21", "text": "Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin\u2019 ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. " }, { "verse": 22, "chapter": 37, "name": "Job 37:22", "text": "Avy any avaratra no ihavian\u2019 ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin\u2019 Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra. " }, { "verse": 23, "chapter": 37, "name": "Job 37:23", "text": "Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin\u2019 ny hery sy ny fitsarana mbamin\u2019 ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory. " }, { "verse": 24, "chapter": 37, "name": "Job 37:24", "text": "Koa izany no atahoran\u2019 ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy. " } ] }, { "chapter": 38, "name": "Job 38", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 38, "name": "Job 38:1", "text": " Ary teo anatin\u2019 ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an\u2019 i Joba ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 38, "name": "Job 38:2", "text": "Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin\u2019 ny teny tsy misy fahalalana? " }, { "verse": 3, "chapter": 38, "name": "Job 38:3", "text": "Misik\u00ecna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: " }, { "verse": 4, "chapter": 38, "name": "Job 38:4", "text": "Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. " }, { "verse": 5, "chapter": 38, "name": "Job 38:5", "text": "Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? " }, { "verse": 6, "chapter": 38, "name": "Job 38:6", "text": "Teo amin\u2019 inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, " }, { "verse": 7, "chapter": 38, "name": "Job 38:7", "text": "Raha niara-nihira ny kintan\u2019 ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak\u2019 Andriamanitra? " }, { "verse": 8, "chapter": 38, "name": "Job 38:8", "text": "Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, " }, { "verse": 9, "chapter": 38, "name": "Job 38:9", "text": "Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, " }, { "verse": 10, "chapter": 38, "name": "Job 38:10", "text": "Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana " }, { "verse": 11, "chapter": 38, "name": "Job 38:11", "text": "Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? " }, { "verse": 12, "chapter": 38, "name": "Job 38:12", "text": "Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak\u2019 andro, " }, { "verse": 13, "chapter": 38, "name": "Job 38:13", "text": "Mba horaisiny ny sisin\u2019 ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? " }, { "verse": 14, "chapter": 38, "name": "Job 38:14", "text": "Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, " }, { "verse": 15, "chapter": 38, "name": "Job 38:15", "text": "Ary hosakanana ny fahazavan\u2019 ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina. " }, { "verse": 16, "chapter": 38, "name": "Job 38:16", "text": "Moa efa niditra hatrany amin\u2019 ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin\u2019 ny fanambanin\u2019 ny lalina? " }, { "verse": 17, "chapter": 38, "name": "Job 38:17", "text": "Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin\u2019 ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin\u2019 ny aloky ny fahafatesana? " }, { "verse": 18, "chapter": 38, "name": "Job 38:18", "text": "Moa efa voadinikao ny hatrany amin\u2019 ny fahalalahan\u2019 ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. " }, { "verse": 19, "chapter": 38, "name": "Job 38:19", "text": "Aiza ary no lalana ho any amin\u2019 ny fonenan\u2019 ny mazava? Ary aiza no fitoeran\u2019 ny maizina? " }, { "verse": 20, "chapter": 38, "name": "Job 38:20", "text": "Mba hitondranao izany ho amin\u2019 ny faran\u2019 ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony. " }, { "verse": 21, "chapter": 38, "name": "Job 38:21", "text": "Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin\u2019 izay, ary maro ny isan\u2019 ny andronao! " }, { "verse": 22, "chapter": 38, "name": "Job 38:22", "text": "Moa efa niditra tany amin\u2019 ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, " }, { "verse": 23, "chapter": 38, "name": "Job 38:23", "text": "Izay voatahiriko ho amin\u2019 ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika? " }, { "verse": 24, "chapter": 38, "name": "Job 38:24", "text": "Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan\u2019 ny rivotra avy any atsinanana ho et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany? " }, { "verse": 25, "chapter": 38, "name": "Job 38:25", "text": "Iza moa no nihady lalan-drano ho an\u2019 ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an\u2019 ny helatry ny kotrokorana, " }, { "verse": 26, "chapter": 38, "name": "Job 38:26", "text": "Handatsaka ranonorana ambonin\u2019 ny tany izay tsy itoeran\u2019 olona, dia any amin\u2019 ny efitra tsy misy mponina, " }, { "verse": 27, "chapter": 38, "name": "Job 38:27", "text": "Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? " }, { "verse": 28, "chapter": 38, "name": "Job 38:28", "text": "Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon\u2019 ando? " }, { "verse": 29, "chapter": 38, "name": "Job 38:29", "text": "Kibon\u2019 iza moa no nihavian\u2019 ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin\u2019 ny lanitra, iza no niteraka azy? " }, { "verse": 30, "chapter": 38, "name": "Job 38:30", "text": "Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin\u2019 ny lalina. " }, { "verse": 31, "chapter": 38, "name": "Job 38:31", "text": "Mahavona ny kofehin\u2019 ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? " }, { "verse": 32, "chapter": 38, "name": "Job 38:32", "text": "Mahavoaka ny Mazarota amin\u2019 ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin\u2019 ny zanany va ianao? " }, { "verse": 33, "chapter": 38, "name": "Job 38:33", "text": "Fantatrao va ny lal\u00e0n\u2019 ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan\u2019 ireny ny tany va ianao? " }, { "verse": 34, "chapter": 38, "name": "Job 38:34", "text": "Mahasandratra ny feonao ho amin\u2019 ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka? " }, { "verse": 35, "chapter": 38, "name": "Job 38:35", "text": "Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? " }, { "verse": 36, "chapter": 38, "name": "Job 38:36", "text": "Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho er\u1ef3 an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? " }, { "verse": 37, "chapter": 38, "name": "Job 38:37", "text": "Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon\u2019 ny lanitra, " }, { "verse": 38, "chapter": 38, "name": "Job 38:38", "text": "Hitambaran\u2019 ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga? " }, { "verse": 39, "chapter": 38, "name": "Job 38:39", "text": "Mahay mihaza toha ho an\u2019 ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan\u2019 ny liona tanora, " }, { "verse": 40, "chapter": 38, "name": "Job 38:40", "text": "Raha mamitsaka ao amin\u2019 ny fitoerany izy ary manotrika ao amin\u2019 ny kirihitrala? " }, { "verse": 41, "chapter": 38, "name": "Job 38:41", "text": "Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin\u2019 Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? " } ] }, { "chapter": 39, "name": "Job 39", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 39, "name": "Job 39:1", "text": "Fantatrao va ny fotoana fiterahan\u2019 ny osi-dia any amin\u2019 ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan\u2019 ny dieravavy? " }, { "verse": 2, "chapter": 39, "name": "Job 39:2", "text": "Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? " }, { "verse": 3, "chapter": 39, "name": "Job 39:3", "text": "Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany. " }, { "verse": 4, "chapter": 39, "name": "Job 39:4", "text": "Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony. " }, { "verse": 5, "chapter": 39, "name": "Job 39:5", "text": "Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran\u2019 ny boriki-dia, " }, { "verse": 6, "chapter": 39, "name": "Job 39:6", "text": "Izay nomeko ny tani\u2019 hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany? " }, { "verse": 7, "chapter": 39, "name": "Job 39:7", "text": "Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tan\u00e0na; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson\u2019 ny mpampandeha; " }, { "verse": 8, "chapter": 39, "name": "Job 39:8", "text": "Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy. " }, { "verse": 9, "chapter": 39, "name": "Job 39:9", "text": "Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin\u2019 ny alina? " }, { "verse": 10, "chapter": 39, "name": "Job 39:10", "text": "Mahafatotra ny ombimanga amin\u2019 ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy? " }, { "verse": 11, "chapter": 39, "name": "Job 39:11", "text": "Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao? " }, { "verse": 12, "chapter": 39, "name": "Job 39:12", "text": "Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao? " }, { "verse": 13, "chapter": 39, "name": "Job 39:13", "text": "Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony? " }, { "verse": 14, "chapter": 39, "name": "Job 39:14", "text": "Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin\u2019 ny tany izy ka mamela azy ho afanain\u2019 ny vovoka, " }, { "verse": 15, "chapter": 39, "name": "Job 39:15", "text": "Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia. " }, { "verse": 16, "chapter": 39, "name": "Job 39:16", "text": "Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany; " }, { "verse": 17, "chapter": 39, "name": "Job 39:17", "text": "Fa efa nampanadinoin\u2019 Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana. " }, { "verse": 18, "chapter": 39, "name": "Job 39:18", "text": "Raha mikopakopak\u2019 elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy. " }, { "verse": 19, "chapter": 39, "name": "Job 39:19", "text": "Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony? " }, { "verse": 20, "chapter": 39, "name": "Job 39:20", "text": "Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin\u2019 ny fiefonefony! " }, { "verse": 21, "chapter": 39, "name": "Job 39:21", "text": "Mihehy ao amin\u2019 ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy. " }, { "verse": 22, "chapter": 39, "name": "Job 39:22", "text": "Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin\u2019 ny sabatra. " }, { "verse": 23, "chapter": 39, "name": "Job 39:23", "text": "Mifioka eny amboniny ny zana-tsip\u00ecka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy. " }, { "verse": 24, "chapter": 39, "name": "Job 39:24", "text": "Miriotra mafy amin\u2019 ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. " }, { "verse": 25, "chapter": 39, "name": "Job 39:25", "text": "Na oviana na oviana no anenoan\u2019 ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban\u2019 ny manamboninahitra. " }, { "verse": 26, "chapter": 39, "name": "Job 39:26", "text": "Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo? " }, { "verse": 27, "chapter": 39, "name": "Job 39:27", "text": "Noho ny didinao va no iakaran\u2019 ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? " }, { "verse": 28, "chapter": 39, "name": "Job 39:28", "text": "Eny amin\u2019 ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon\u2019 ny harambato sy ao amin\u2019 ny fiarovana. " }, { "verse": 29, "chapter": 39, "name": "Job 39:29", "text": "Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony. " }, { "verse": 30, "chapter": 39, "name": "Job 39:30", "text": "Mitsentsitra r\u00e0 ny zanany, ary izay itoeran\u2019 ny faty dia any izy. " } ] }, { "chapter": 40, "name": "Job 40", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 40, "name": "Job 40:1", "text": " Ary Jehovah mbola namaly an\u2019 i Joba nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 40, "name": "Job 40:2", "text": "Hiady amin\u2019 ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an\u2019 Andriamanitra no hamaly! " }, { "verse": 3, "chapter": 40, "name": "Job 40:3", "text": "Ary Joba dia namaly an\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: " }, { "verse": 4, "chapter": 40, "name": "Job 40:4", "text": "Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao. " }, { "verse": 5, "chapter": 40, "name": "Job 40:5", "text": "Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho. " }, { "verse": 6, "chapter": 40, "name": "Job 40:6", "text": "Dia namaly an\u2019 i Joba teo amin\u2019 ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe: " }, { "verse": 7, "chapter": 40, "name": "Job 40:7", "text": "Misik\u00ecna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho: " }, { "verse": 8, "chapter": 40, "name": "Job 40:8", "text": "Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa? " }, { "verse": 9, "chapter": 40, "name": "Job 40:9", "text": "Manan-tsandry tahaka ny an\u2019 Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao? " }, { "verse": 10, "chapter": 40, "name": "Job 40:10", "text": "Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra; " }, { "verse": 11, "chapter": 40, "name": "Job 40:11", "text": "Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo. " }, { "verse": 12, "chapter": 40, "name": "Job 40:12", "text": "Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aong\u00e0ny; Ary apotrahy eo amin\u2019 ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy. " }, { "verse": 13, "chapter": 40, "name": "Job 40:13", "text": "Asitriho ao amin\u2019 ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin\u2019 ny fiafenana ny tavany. " }, { "verse": 14, "chapter": 40, "name": "Job 40:14", "text": "Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana. " }, { "verse": 15, "chapter": 40, "name": "Job 40:15", "text": "He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 40, "name": "Job 40:16", "text": "Indro, eo amin\u2019 ny valahany ny heriny, ary eo amin\u2019 ny ozatra amin\u2019 ny kibony ny tanjany. " }, { "verse": 17, "chapter": 40, "name": "Job 40:17", "text": "Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin\u2019 ny feny " }, { "verse": 18, "chapter": 40, "name": "Job 40:18", "text": "Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany. " }, { "verse": 19, "chapter": 40, "name": "Job 40:19", "text": "Voalohany amin\u2019 ny asan\u2019 Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy. " }, { "verse": 20, "chapter": 40, "name": "Job 40:20", "text": "Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan\u2019 ny bibi-dia rehetra; " }, { "verse": 21, "chapter": 40, "name": "Job 40:21", "text": "Eo ambanin\u2019 ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka. " }, { "verse": 22, "chapter": 40, "name": "Job 40:22", "text": "Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron\u2019 ny ony no manodidina azy " }, { "verse": 23, "chapter": 40, "name": "Job 40:23", "text": "Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin\u2019 ny vavany aza. " }, { "verse": 24, "chapter": 40, "name": "Job 40:24", "text": "Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon\u2019 ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va? " }, { "verse": 25, "chapter": 40, "name": "Job 40:25", "text": "Mahasarika ny mamba amin\u2019 ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin\u2019 ny mahazaka? " }, { "verse": 26, "chapter": 40, "name": "Job 40:26", "text": "Mahisy tady zozoro amin\u2019 ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin\u2019 ny fintana? " }, { "verse": 27, "chapter": 40, "name": "Job 40:27", "text": "Hifon-jato amin\u2019 arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao? " }, { "verse": 28, "chapter": 40, "name": "Job 40:28", "text": "Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy? " }, { "verse": 29, "chapter": 40, "name": "Job 40:29", "text": "Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an\u2019 ny zazavavy ao aminao va ianao? " }, { "verse": 30, "chapter": 40, "name": "Job 40:30", "text": "Hataon\u2019 ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin\u2019 ny mpandranto? " }, { "verse": 31, "chapter": 40, "name": "Job 40:31", "text": "Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin\u2019 ny lohany? " }, { "verse": 32, "chapter": 40, "name": "Job 40:32", "text": "Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao. " } ] }, { "chapter": 41, "name": "Job 41", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 41, "name": "Job 41:1", "text": "Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza? " }, { "verse": 2, "chapter": 41, "name": "Job 41:2", "text": "Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako? " }, { "verse": 3, "chapter": 41, "name": "Job 41:3", "text": "Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin\u2019 ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa. " }, { "verse": 4, "chapter": 41, "name": "Job 41:4", "text": "Tsy mbola hangina Aho ny amin\u2019 ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran\u2019 ny endriny. " }, { "verse": 5, "chapter": 41, "name": "Job 41:5", "text": "Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin\u2019 ny nifiny roa sosona? " }, { "verse": 6, "chapter": 41, "name": "Job 41:6", "text": "Iza no mahasokatra ny varavaran\u2019 ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina! " }, { "verse": 7, "chapter": 41, "name": "Job 41:7", "text": "Reharehany ny faharaoraon\u2019 ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin\u2019 ny tombo-kase ireo; " }, { "verse": 8, "chapter": 41, "name": "Job 41:8", "text": "Mikirindro ireo, ka tsy azon\u2019 ny rivotra idirana eo anelanelany. " }, { "verse": 9, "chapter": 41, "name": "Job 41:9", "text": "Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina, " }, { "verse": 10, "chapter": 41, "name": "Job 41:10", "text": "Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason\u2019 ny maraina. " }, { "verse": 11, "chapter": 41, "name": "Job 41:11", "text": "Lelafo no mivoaka avy amin\u2019 ny vavany; Kilalaon\u2019 afo no mipariaka avy aminy. " }, { "verse": 12, "chapter": 41, "name": "Job 41:12", "text": "Ny vavorony dia ivoahan\u2019 ny setroka, tahaka ny avy amin\u2019 ny vilany mangotraka, na amin\u2019 ny fahandroana. " }, { "verse": 13, "chapter": 41, "name": "Job 41:13", "text": "Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin\u2019 ny vavany. " }, { "verse": 14, "chapter": 41, "name": "Job 41:14", "text": "Ny vozony no itoeran\u2019 ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana. " }, { "verse": 15, "chapter": 41, "name": "Job 41:15", "text": "Mivalombalona ny hotraka amin\u2019 ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana. " }, { "verse": 16, "chapter": 41, "name": "Job 41:16", "text": "Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary. " }, { "verse": 17, "chapter": 41, "name": "Job 41:17", "text": "Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa. " }, { "verse": 18, "chapter": 41, "name": "Job 41:18", "text": "Raha misy mamely azy amin\u2019 ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin\u2019 ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsip\u00ecka. " }, { "verse": 19, "chapter": 41, "name": "Job 41:19", "text": "Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina. " }, { "verse": 20, "chapter": 41, "name": "Job 41:20", "text": "Tsy mampandositra azy ny zana-tsip\u00ecka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton\u2019 antsamotady. " }, { "verse": 21, "chapter": 41, "name": "Job 41:21", "text": "Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona. " }, { "verse": 22, "chapter": 41, "name": "Job 41:22", "text": "Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin\u2019 ny fotaka izy. " }, { "verse": 23, "chapter": 41, "name": "Job 41:23", "text": "Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy. " }, { "verse": 24, "chapter": 41, "name": "Job 41:24", "text": "Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon\u2019 ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina. " }, { "verse": 25, "chapter": 41, "name": "Job 41:25", "text": "Tsy misy tahaka azy eny ambonin\u2019 ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra. " }, { "verse": 26, "chapter": 41, "name": "Job 41:26", "text": "Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan\u2019 ny bibi-dia rehetra izy " } ] }, { "chapter": 42, "name": "Job 42", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 42, "name": "Job 42:1", "text": " Ary Joba dia namaly an\u2019 i Jehovah ka nanao hoe: " }, { "verse": 2, "chapter": 42, "name": "Job 42:2", "text": "Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. " }, { "verse": 3, "chapter": 42, "name": "Job 42:3", "text": "Iza no mahatakona ny fisainanao amin\u2019 ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. " }, { "verse": 4, "chapter": 42, "name": "Job 42:4", "text": "Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro. " }, { "verse": 5, "chapter": 42, "name": "Job 42:5", "text": "Fandrenesan\u2019 ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; " }, { "verse": 6, "chapter": 42, "name": "Job 42:6", "text": "Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin\u2019 ny vovoka sy ny lavenona aho. " }, { "verse": 7, "chapter": 42, "name": "Job 42:7", "text": "Ary rehefa voalazan\u2019 i Jehovah tamin\u2019 i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin\u2019 i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny fil\u00e0zan\u2019 i Joba mpanompoko ny fil\u00e0zanareo Ahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 42, "name": "Job 42:8", "text": "Koa ankehitriny mak\u00e0 vantotr\u2019 ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin\u2019 i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny fil\u00e0zan\u2019 i Joba mpanompoko ny fil\u00e0zanareo Ahy. " }, { "verse": 9, "chapter": 42, "name": "Job 42:9", "text": "Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian\u2019 i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an\u2019 i Joba. " }, { "verse": 10, "chapter": 42, "name": "Job 42:10", "text": "Ary Jehovah nampody ny fiadanan\u2019 i Joba, raha nivavaka ho an\u2019 ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 42, "name": "Job 42:11", "text": "Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran\u2019 i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra. " }, { "verse": 12, "chapter": 42, "name": "Job 42:12", "text": "Ary Jehovah nitahy ny niafaran\u2019 i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman\u2019 osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy. " }, { "verse": 13, "chapter": 42, "name": "Job 42:13", "text": "Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy, " }, { "verse": 14, "chapter": 42, "name": "Job 42:14", "text": "ka ny anaran\u2019 ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran\u2019 ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran\u2019 ny faravavy Kerena-hapoka. " }, { "verse": 15, "chapter": 42, "name": "Job 42:15", "text": "Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin\u2019 i Joba hita tany amin\u2019 ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin\u2019 ny anadahiny izy. " }, { "verse": 16, "chapter": 42, "name": "Job 42:16", "text": "Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian\u2019 izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin\u2019 ny zafin-dohaliny aza. " }, { "verse": 17, "chapter": 42, "name": "Job 42:17", "text": "Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana. " } ] } ] }, { "name": "Psalms", "chapters": [ { "chapter": 1, "name": "Psalms 1", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 1, "name": "Psalms 1:1", "text": " Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin\u2019 ny fisainan\u2019 ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin\u2019 ny lalana falehan\u2019 ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin\u2019 ny fipetrahan\u2019 ny mpaniratsira; " }, { "verse": 2, "chapter": 1, "name": "Psalms 1:2", "text": "Fa ny lal\u00e0n\u2019 i Jehovah no sitrany; eny ny lal\u00e0ny no saintsaininy andro aman\u2019 alina. " }, { "verse": 3, "chapter": 1, "name": "Psalms 1:3", "text": "Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron\u2019 ny rano velona izy, izay mamoa amin\u2019 ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. " }, { "verse": 4, "chapter": 1, "name": "Psalms 1:4", "text": "Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin\u2019 ny rivotra izy. " }, { "verse": 5, "chapter": 1, "name": "Psalms 1:5", "text": "Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin\u2019 ny fitsarana, na ny mpanota eo amin\u2019 ny fiangonan\u2019 ny marina. " }, { "verse": 6, "chapter": 1, "name": "Psalms 1:6", "text": "Fa fantatr\u2019 i Jehovah ny lalan\u2019 ny marina, fa ny lalan\u2019 ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin\u2019 ny fahaverezana. " } ] }, { "chapter": 2, "name": "Psalms 2", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:1", "text": " Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? " }, { "verse": 2, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:2", "text": "Ireo mpanjakan\u2019 ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an\u2019 i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: " }, { "verse": 3, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:3", "text": "\u201cAoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.\u201d " }, { "verse": 4, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:4", "text": "Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. " }, { "verse": 5, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:5", "text": "Dia hiteny azy amin\u2019 ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin\u2019 ny fahatezerany hoe: " }, { "verse": 6, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:6", "text": "\u201cIzaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin\u2019 i Ziona, tendrombohitro mas\u00ecna.\u201d " }, { "verse": 7, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:7", "text": "\u201cHilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. " }, { "verse": 8, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:8", "text": "Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran\u2019 ny tany ho fanananao. " }, { "verse": 9, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:9", "text": "Hotorotoroinao amin\u2019 ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.\u201d " }, { "verse": 10, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:10", "text": "Ary amin\u2019 izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran\u2019 ny tany. " }, { "verse": 11, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:11", "text": "Manompoa an\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny fahatahorana, ary mifalia amin\u2019 ny fangovitana. " }, { "verse": 12, "chapter": 2, "name": "Psalms 2:12", "text": "Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. " } ] }, { "chapter": 3, "name": "Psalms 3", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:2", "text": " Jehovah \u00f4, akory izato hamaroan\u2019 ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:3", "text": "Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin\u2019 Andriamanitra izy. [Sela.] " }, { "verse": 4, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:4", "text": "Kanjo Hianao, Jehovah \u00f4, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. " }, { "verse": 5, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:5", "text": "Amin\u2019 ny feoko no iantsoako an\u2019 i Jehovah, ary any an-tendrombohiny mas\u00ecna no mamaly ahy Izy. " }, { "verse": 6, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:6", "text": "Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.] " }, { "verse": 7, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:7", "text": "Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. " }, { "verse": 8, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:8", "text": "Mitsang\u00e0na, Jehovah \u00f4; vonjeo aho, Andriamanitro \u00f4; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin\u2019 ny ratsy fanahy novakivakinao. " }, { "verse": 9, "chapter": 3, "name": "Psalms 3:9", "text": "An\u2019 i Jehovah ny famonjena; Ho amin\u2019 ny olonao anie ny fitahianao. [Sela.] " } ] }, { "chapter": 4, "name": "Psalms 4", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:2", "text": " Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako \u00f4; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindr\u00e0 fo amiko, ka henoy ny fivavako. " }, { "verse": 3, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:3", "text": "Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.] " }, { "verse": 4, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:4", "text": "Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan\u2019 i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:5", "text": "Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mang\u00ecna. [Sela.] " }, { "verse": 6, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:6", "text": "Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 7, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:7", "text": "Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan\u2019 ny tavanao, Jehovah \u00f4. " }, { "verse": 8, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:8", "text": "Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin\u2019 ny taona nahabetsahan\u2019 ny variny sy ny ranom-boalobony. " }, { "verse": 9, "chapter": 4, "name": "Psalms 4:9", "text": "Handry amin\u2019 ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin\u2019 izay, satria Hianao, Jehovah \u00f4, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy. " } ] }, { "chapter": 5, "name": "Psalms 5", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:2", "text": " Jehovah \u00f4, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro. " }, { "verse": 3, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:3", "text": "Henoy ny feon\u2019 ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro \u00f4; fa Hianao no ivavahako. " }, { "verse": 4, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:4", "text": "Jehovah \u00f4, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. " }, { "verse": 5, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:5", "text": "Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy. " }, { "verse": 6, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:6", "text": "Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra. " }, { "verse": 7, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:7", "text": "Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-dr\u00e0 sy mpamitaka dia ataon\u2019 i Jehovah ho zava-betaveta. " }, { "verse": 8, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:8", "text": "Fa izaho kosa noho ny haben\u2019 ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao mas\u00ecna amin\u2019 ny fahatahorana anao aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:9", "text": "Jehovah \u00f4, tariho amin\u2019 ny fahamarinanao aho noho ny amin\u2019 ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao. " }, { "verse": 10, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:10", "text": "Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:11", "text": "Helohy izy, Andriamanitra \u00f4; Aoka ho lavon\u2019 ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben\u2019 ny fahotany, satria efa niodina taminao. " }, { "verse": 12, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:12", "text": "Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao. " }, { "verse": 13, "chapter": 5, "name": "Psalms 5:13", "text": "Fa Hianao, Jehovah \u00f4, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe. " } ] }, { "chapter": 6, "name": "Psalms 6", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:2", "text": " Jehovah \u00f4, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. " }, { "verse": 3, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:3", "text": "Mamindr\u00e0 fo amiko, Jehovah \u00f4, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah \u00f4, fa mihozohozo ny taolako. " }, { "verse": 4, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:4", "text": "Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah \u00f4, mandra-pahoviana? " }, { "verse": 5, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:5", "text": "Miverena, Jehovah \u00f4, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao. " }, { "verse": 6, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:6", "text": "Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin\u2019 ny fahafatesana, any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? " }, { "verse": 7, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:7", "text": "Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan\u2019 alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. " }, { "verse": 8, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:8", "text": "Lanin\u2019 alahelo ny masoko; efa pahina izy amin\u2019 ny ataon\u2019 ny mpampahory ahy rehetra. " }, { "verse": 9, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:9", "text": "Mial\u00e0 amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon\u2019 ny fitomaniako. " }, { "verse": 10, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:10", "text": "Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako. " }, { "verse": 11, "chapter": 6, "name": "Psalms 6:11", "text": "Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka. " } ] }, { "chapter": 7, "name": "Psalms 7", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:2", "text": " Jehovah Andriamanitro \u00f4, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin\u2019 izay rehetra manenjika ahy, ka afaho; " }, { "verse": 3, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:3", "text": "Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon\u2019 ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy. " }, { "verse": 4, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:4", "text": "Jehovah Andriamanitro \u00f4, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako; " }, { "verse": 5, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:5", "text": "Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana " }, { "verse": 6, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:6", "text": "Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin\u2019 ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin\u2019 ny vovoka. [Sela.] " }, { "verse": 7, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:7", "text": "Jehovah \u00f4, mitsang\u00e0na amin\u2019 ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao; " }, { "verse": 8, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:8", "text": "Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin\u2019 ny avo eo amboniny Hianao, " }, { "verse": 9, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:9", "text": "Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah \u00f4, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny. " }, { "verse": 10, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:10", "text": "Aoka ho tapaka ny ratsy ataon\u2019 ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa. " }, { "verse": 11, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:11", "text": "Ny ampingako dia ao amin\u2019 Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo. " }, { "verse": 12, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:12", "text": "Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan\u2019 andro. " }, { "verse": 13, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:13", "text": "Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsip\u00eckany Izy ka manamboatra azy, " }, { "verse": 14, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:14", "text": "Ary ireo dia kendreny amin\u2019 ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsip\u00eckany ataony mirehitra. " }, { "verse": 15, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:15", "text": "Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; " }, { "verse": 16, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:16", "text": "Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin\u2019 ny longoa nataony ihany izy; " }, { "verse": 17, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:17", "text": "Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran\u2019 ny loza nataony. " }, { "verse": 18, "chapter": 7, "name": "Psalms 7:18", "text": "Hidera an\u2019 i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran\u2019 i Jehovah Avo Indrindra. " } ] }, { "chapter": 8, "name": "Psalms 8", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:2", "text": " Jehovah, Tomponay \u00f4, endrey ny voninahitry ny anaranao amin\u2019 ny tany rehetra! nataonao eny amin\u2019 ny lanitra ny voninahitrao. " }, { "verse": 3, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:3", "text": "Avy amin\u2019 ny vavan\u2019 ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. " }, { "verse": 4, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:4", "text": "Raha jereko ny lanitrao, izay asan\u2019 ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, " }, { "verse": 5, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:5", "text": "Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak\u2019 olombelona, no amangianao azy? " }, { "verse": 6, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:6", "text": "Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. " }, { "verse": 7, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:7", "text": "Efa nampanjakainao amin\u2019 ny asan\u2019 ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin\u2019 ny tongony, " }, { "verse": 8, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:8", "text": "Dia ny ondry aman\u2019 osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, " }, { "verse": 9, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:9", "text": "Mbamin\u2019 ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin\u2019 ny lalan-dranomasina. " }, { "verse": 10, "chapter": 8, "name": "Psalms 8:10", "text": "Jehovah Tomponay \u00f4, endrey ny voninahitry ny anaranao amin\u2019 ny tany rehetra! " } ] }, { "chapter": 9, "name": "Psalms 9", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:2", "text": " Hidera an\u2019 i Jehovah amin\u2019 ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. " }, { "verse": 3, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:3", "text": "Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra \u00f4, " }, { "verse": 4, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:4", "text": "Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. " }, { "verse": 5, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:5", "text": "Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin\u2019 ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. " }, { "verse": 6, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:6", "text": "Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. " }, { "verse": 7, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:7", "text": "Ny amin\u2019 ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandrav\u00e0na azy; ary izay tan\u00e0na efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. " }, { "verse": 8, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:8", "text": "Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, " }, { "verse": 9, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:9", "text": "Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin\u2019 ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin\u2019 ny fahitsiana Izy. " }, { "verse": 10, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:10", "text": "Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an\u2019 ny mahantra, ho fiarovana avo amin\u2019 ny andro fahoriana Izy. " }, { "verse": 11, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:11", "text": "Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah \u00f4. " }, { "verse": 12, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:12", "text": "Mankalaz\u00e0 an\u2019 i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin\u2019 ny firenena ny asany. " }, { "verse": 13, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:13", "text": "Fa izay manadin-dr\u00e0 dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy. " }, { "verse": 14, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:14", "text": "Mamindr\u00e0 fo amiko, Jehovah \u00f4; mitsinjova ny fahoriako avy amin\u2019 izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin\u2019 ny vavahadin\u2019 ny fahafatesana, " }, { "verse": 15, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:15", "text": "Mba holazaiko avokoa ny fider\u00e0na Anao rehetra; eo am-bavahadin\u2019 i Ziona zanakavavy no hifaliako amin\u2019 ny famonjenao. " }, { "verse": 16, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:16", "text": "Ny jentilisa efa latsaka tamin\u2019 ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, " }, { "verse": 17, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:17", "text": "Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin\u2019 ny asan\u2019 ny t\u00e0nany Izy. " }, { "verse": 18, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:18", "text": "Hiverina ho any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 19, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:19", "text": "Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan\u2019 ny mahantra. " }, { "verse": 20, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:20", "text": "Mitsang\u00e0na, Jehovah \u00f4, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. " }, { "verse": 21, "chapter": 9, "name": "Psalms 9:21", "text": "Asio fampahatahorana izy, Jehovah \u00f4; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Sela.] " } ] }, { "chapter": 10, "name": "Psalms 10", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:1", "text": " Jehovah \u00f4, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin\u2019 ny andro fahoriana? " }, { "verse": 2, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:2", "text": "Noho ny fireharehan\u2019 ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon\u2019 ny fahendrena nataony izy ireny. " }, { "verse": 3, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:3", "text": "Ny ratsy fanahy mandoka izay irin\u2019 ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an\u2019 i Jehovah. " }, { "verse": 4, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:4", "text": "Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, \u201cTsy misy Andriamanitra\u201d no tontalin-keviny. " }, { "verse": 5, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:5", "text": "Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin\u2019 ny avo lavitra azy ny fitsar\u00e0nao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? " }, { "verse": 6, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:6", "text": "Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho. " }, { "verse": 7, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:7", "text": "Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin\u2019 ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana. " }, { "verse": 8, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:8", "text": "Mamitsaka amin\u2019 ny fanotrehana ao an-tan\u00e0na izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra. " }, { "verse": 9, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:9", "text": "Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin\u2019 ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin\u2019 ny haratony no fisambony ny malahelo. " }, { "verse": 10, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:10", "text": "Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin\u2019 ny herin\u2019 ny ratsy fanahy. " }, { "verse": 11, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:11", "text": "Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay. " }, { "verse": 12, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:12", "text": "Mitsang\u00e0na, Jehovah \u00f4; Andriamanitra \u00f4, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory. " }, { "verse": 13, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:13", "text": "Nahoana no mamingavinga an\u2019 Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao? " }, { "verse": 14, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:14", "text": "Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian\u2019 ny tananao. Hianao no iononan\u2019 ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty. " }, { "verse": 15, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:15", "text": "Torotoroy ny sandrin\u2019 ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony. " }, { "verse": 16, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:16", "text": "Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin\u2019 ny taniny intsony ny jentilisa. " }, { "verse": 17, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:17", "text": "Efa nohenoinao, Jehovah \u00f4, ny irin\u2019 ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao, " }, { "verse": 18, "chapter": 10, "name": "Psalms 10:18", "text": "Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak\u2019 olombelona et\u1ef3 an-tany. " } ] }, { "chapter": 11, "name": "Psalms 11", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 11, "name": "Psalms 11:1", "text": " Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin\u2019 ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely? " }, { "verse": 2, "chapter": 11, "name": "Psalms 11:2", "text": "Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsip\u00eckany; efa nanamboatra ny zana-tsip\u00eckany eo amin\u2019 ny kofehy izy, nikendry tao amin\u2019 ny maizina hitifitra ny mahitsy fo. " }, { "verse": 3, "chapter": 11, "name": "Psalms 11:3", "text": "Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon\u2019 ny marina atao? " }, { "verse": 4, "chapter": 11, "name": "Psalms 11:4", "text": "Jehovah dia ao amin\u2019 ny tempoliny mas\u00ecna, ny seza fiandrianan\u2019 i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak\u2019 olombelona. " }, { "verse": 5, "chapter": 11, "name": "Psalms 11:5", "text": "Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan\u2019 ny fanahiny. " }, { "verse": 6, "chapter": 11, "name": "Psalms 11:6", "text": "Handatsaka fandrika amin\u2019 ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. " }, { "verse": 7, "chapter": 11, "name": "Psalms 11:7", "text": "Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany. " } ] }, { "chapter": 12, "name": "Psalms 12", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:1", "text": " " }, { "verse": 2, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:2", "text": " Vonjeo, Jehovah \u00f4, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin\u2019 ny zanak\u2019 olombelona. " }, { "verse": 3, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:3", "text": "Samy milaza lainga amin\u2019 ny namany amin\u2019 ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany. " }, { "verse": 4, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:4", "text": "Holevonin\u2019 i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona, " }, { "verse": 5, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:5", "text": "Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay? " }, { "verse": 6, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:6", "text": "Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan\u2019 ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain\u2019 ny sasany. " }, { "verse": 7, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:7", "text": "Ny tenin\u2019 i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin\u2019 ny memy ka mitsoriaka amin\u2019 ny tany eny, voadio impito. " }, { "verse": 8, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:8", "text": "Hianao, Jehovah \u00f4, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon\u2019 ity taranaka ity. " }, { "verse": 9, "chapter": 12, "name": "Psalms 12:9", "text": "Raha avy izay isandratan\u2019 ny tsinontsinona eo amin\u2019 ny zanak\u2019 olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon\u2019 izay azom-pahoriana mafy loatra. " } ] }, { "chapter": 13, "name": "Psalms 13", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 13, "name": "Psalms 13:1", "text": "" }, { "verse": 2, "chapter": 13, "name": "Psalms 13:2", "text": " Jehovah \u00f4, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko? " }, { "verse": 3, "chapter": 13, "name": "Psalms 13:3", "text": "Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan\u2019 andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan\u2019 ny fahavaloko ho amboniko? " }, { "verse": 4, "chapter": 13, "name": "Psalms 13:4", "text": "Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro \u00f4; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho; " }, { "verse": 5, "chapter": 13, "name": "Psalms 13:5", "text": "Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho. " }, { "verse": 6, "chapter": 13, "name": "Psalms 13:6", "text": "Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin\u2019 ny famonjenao ny foko. Hihira ho an\u2019 i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy; " } ] }, { "chapter": 14, "name": "Psalms 14", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 14, "name": "Psalms 14:1", "text": " Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. " }, { "verse": 2, "chapter": 14, "name": "Psalms 14:2", "text": "Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak\u2019 olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an\u2019 Andriamanitra. " }, { "verse": 3, "chapter": 14, "name": "Psalms 14:3", "text": "Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. " }, { "verse": 4, "chapter": 14, "name": "Psalms 14:4", "text": "Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny? " }, { "verse": 5, "chapter": 14, "name": "Psalms 14:5", "text": "Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin\u2019 ny taranaka marina. " }, { "verse": 6, "chapter": 14, "name": "Psalms 14:6", "text": "Na dia foananareo aza ny fisainan\u2019 ny ory, Jehovah kosa no arony. " }, { "verse": 7, "chapter": 14, "name": "Psalms 14:7", "text": "Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin\u2019 i Jehovah avy amin\u2019 ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely. " } ] }, { "chapter": 15, "name": "Psalms 15", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 15, "name": "Psalms 15:1", "text": " Jehovah \u00f4, iza no hitoetra ao amin\u2019 ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao mas\u00ecna? " }, { "verse": 2, "chapter": 15, "name": "Psalms 15:2", "text": "Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; " }, { "verse": 3, "chapter": 15, "name": "Psalms 15:3", "text": "Tsy manendrikendrika amin\u2019 ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, " }, { "verse": 4, "chapter": 15, "name": "Psalms 15:4", "text": "Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an\u2019 i Jehovah; tsy mivadika amin\u2019 ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, " }, { "verse": 5, "chapter": 15, "name": "Psalms 15:5", "text": "Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,\u2015 izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 16, "name": "Psalms 16", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:1", "text": " Arovy aho, Andriamanitra \u00f4, fa mialoka aminao aho. " }, { "verse": 2, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:2", "text": "Hoy izaho ny amin\u2019 i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; " }, { "verse": 3, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:3", "text": "Ary ny amin\u2019 ny olona mas\u00ecna ambonin\u2019 ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. " }, { "verse": 4, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:4", "text": "Ho be ny fahorian\u2019 izay manova an\u2019 Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-dr\u00e0 aidiny aho, ary tsy mba hotononin\u2019 ny molotro ny anarany. " }, { "verse": 5, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:5", "text": "Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. " }, { "verse": 6, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:6", "text": "Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin\u2019 ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. " }, { "verse": 7, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:7", "text": "Hisaotra an\u2019 i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin\u2019 ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. " }, { "verse": 8, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:8", "text": "Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. " }, { "verse": 9, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:9", "text": "Izany no ifalian\u2019 ny foko sy iravoravoan\u2019 ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. " }, { "verse": 10, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:10", "text": "Fa tsy ho foinao ho any amin\u2019 ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin\u2019 ny lavaka Hianao. " }, { "verse": 11, "chapter": 16, "name": "Psalms 16:11", "text": "Hampahafantatra ahy ny lalan\u2019 aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay. " } ] }, { "chapter": 17, "name": "Psalms 17", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:1", "text": " Jehovah \u00f4, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin\u2019 ny fivavako avy amin\u2019 ny molotra tsy misy fitaka. " }, { "verse": 2, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:2", "text": "Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina. " }, { "verse": 3, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:3", "text": "Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin\u2019 ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. " }, { "verse": 4, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:4", "text": "Ny amin\u2019 ny asan\u2019 ny olona, dia ny tenin\u2019 ny molotrao no nitandremako tsy ho amin\u2019 ny lalan\u2019 ny mpanao an-keriny. " }, { "verse": 5, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:5", "text": "Ny diako maharitra eo amin\u2019 ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro. " }, { "verse": 6, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:6", "text": "Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra \u00f4; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko. " }, { "verse": 7, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:7", "text": "Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin\u2019 ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon\u2019 ny fahavalo. " }, { "verse": 8, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:8", "text": "Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin\u2019 ny aloky ny elatrao, " }, { "verse": 9, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:9", "text": "Mba tsy ho azon\u2019 ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy. " }, { "verse": 10, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:10", "text": "Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany. " }, { "verse": 11, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:11", "text": "Manodidina anay amin\u2019 ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin\u2019 ny tany izahay; " }, { "verse": 12, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:12", "text": "Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena. " }, { "verse": 13, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:13", "text": "Mitsang\u00e0na, Jehovah \u00f4, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin\u2019 ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon\u2019 ny ratsy fanahy; " }, { "verse": 14, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:14", "text": "Vonjeo amin\u2019 ny tananao aho, Jehovah \u00f4, mba tsy ho azon\u2019 ny olon\u2019 izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin\u2019 izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an\u2019 ny zanany madinika. " }, { "verse": 15, "chapter": 17, "name": "Psalms 17:15", "text": "Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin\u2019 ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha. " } ] }, { "chapter": 18, "name": "Psalms 18", "verses": [ { "verse": 1, "chapter": 18, "name": "Psalms 18:1", "text": "